5
Andry Rajoelina n°13. Ireo velirano miisa 13 hifidianan-tsika azy Mardi, 04 Décembre 2018 19:41 - Mis à jour Mercredi, 27 Février 2019 17:18 Avelao ny mpanaratsy sy ny manenjika ary ny mpanatsatso hanohy ny « asany ». Ireo no fomba fiady hitan’izy ireo fa mety hampandany ny kandida n°25 izay toa voadidin’ireo mpanao politika diso « malazo » loatra amin’ny fahafantaran’ny vahoaka malagasy azy ireo. Isika maro an’isa dia hitombo isa noho ireto velirano tsy manam-paharoa manaraka ireto. Rehefa voavakinareo hatramin’ny farany ireo dia hazava aminareo ny safidy : ny tanora tokoa no taratry ny ho avin’i Madagasikara. Fa mialohan’izay misy tsiahy tsy maintsy resahina. 1 / 5

Andry Rajoelina n°13. Ireo velirano miisa 13 hifidianan ...andriamananoro.net/madagascar-informations... · Andry Rajoelina n°13. Ireo velirano miisa 13 hifidianan-tsika azy Mardi,

  • Upload
    others

  • View
    83

  • Download
    0

Embed Size (px)

Citation preview

Page 1: Andry Rajoelina n°13. Ireo velirano miisa 13 hifidianan ...andriamananoro.net/madagascar-informations... · Andry Rajoelina n°13. Ireo velirano miisa 13 hifidianan-tsika azy Mardi,

Andry Rajoelina n°13. Ireo velirano miisa 13 hifidianan-tsika azyMardi, 04 Décembre 2018 19:41 - Mis à jour Mercredi, 27 Février 2019 17:18

Avelao ny mpanaratsy sy ny manenjika ary ny mpanatsatso hanohy ny « asany ». Ireo nofomba fiady hitan’izy ireo fa mety hampandany ny kandida n°25 izay toa voadidin’ireo mpanaopolitika diso « malazo »loatra amin’ny fahafantaran’ny vahoaka malagasy azy ireo. Isika maro an’isa dia hitombo isanoho ireto velirano tsy manam-paharoa manaraka ireto. Rehefa voavakinareo hatramin’nyfarany ireo dia hazava aminareo ny safidy : ny tanora tokoa no taratry ny ho avin’iMadagasikara.

Fa mialohan’izay misy tsiahy tsy maintsy resahina.

1 / 5

Page 2: Andry Rajoelina n°13. Ireo velirano miisa 13 hifidianan ...andriamananoro.net/madagascar-informations... · Andry Rajoelina n°13. Ireo velirano miisa 13 hifidianan-tsika azy Mardi,

Andry Rajoelina n°13. Ireo velirano miisa 13 hifidianan-tsika azyMardi, 04 Décembre 2018 19:41 - Mis à jour Mercredi, 27 Février 2019 17:18

Tamin’ny 6 ora maraina androany Talata 4 Desambra 2018 no nanomboka nyfampielezan-kevitra amin’ny fiodinana faharoa mikasika ny fifidiana filoham-pirenena izay hataony 19 Desambra 2018. Omaly 3 Desambra dia niatrika ireo mpandraharaha ao amin’ny GEM (« Groupement des entreprises de Madagascar ») ny kandida roa dia i Marc Ravalomanana(69 taona, n°25) sy Andry Rajoelina (44 taona, n°13). Toa atsimo sy avaratra ny praogramanasoron’izy mianaka, nandeha tsirairay, araka ny fijerin’ny maro an’isa… Na tiana nefa na tsy tiana, tsy misy firenena handroso izany mihitsy raha ny lafin'nyara-ekonomika nasionaly no tsy mirindra amin'ny laoniny. Io sehatra io no tena mamelona nyvahoaka ao anatina firenena iray ka tsy mety raha atao tsinotsinona.

Alohan’ny nanombohan’ny fitetezam-paritra, satria sady olom-pinoana no matahotraan’Andriamanitra i Mialy sy Andry Rajoelina dia niatrika fotoam-pivavahana izy roa, tany Ampefy . Nytso-drano zava-mahery tokoa. Izay koa no nahatonga an'i Ramose Dada nikarakakara ihanykoa fotoam-pivavahana tao amin'ny QG-ny etsy Ampandrana. Na dia nanjavona tanterakananomboka ny taona 2006 ireo "Fahamarinana"sy "Fahamasinana"nodradradradrainy handratona ny Malagasy tsy tena nahalala -ary mbola tsy malahala ihany- nytena zava-misy marina eto amin'ny firenena iombonana. Fa  andao amin’izay isika hitodika amin’ireo velirano miisa 13 mira ny laharan’ity kandidatanora vonona malagasy ity.

VELIRANO 1 Laharam-pahamehana ny Fandriampahalemana sy ny Andavanandro tsara antoka . Aoanatin’izany : Ny fiarovana ny sisin-tanintsika sy ny harena voajanahary Ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana miseho isan’andro Ny fanamafisana ny fiarovana ny velaran’ny Tanindrazantsika Ny fampiroboroboana ny politikan’ny fananan-tany tsy mitongilana

VELIRANO 2 Angovo sy Rano ho an’ny rehetra

2 / 5

Page 3: Andry Rajoelina n°13. Ireo velirano miisa 13 hifidianan ...andriamananoro.net/madagascar-informations... · Andry Rajoelina n°13. Ireo velirano miisa 13 hifidianan-tsika azy Mardi,

Andry Rajoelina n°13. Ireo velirano miisa 13 hifidianan-tsika azyMardi, 04 Décembre 2018 19:41 - Mis à jour Mercredi, 27 Février 2019 17:18

. Tafiditra amin’izany : Ny fanomezana jiro izay faran’ny mora indrindra Ny fampidirana herinatra manerana an’i Madagasikara Ny fanomezana rano madio azo sotroina ho an’ny rehetra

VELIRANO 3 Ady amin’ny kolikoly ary Fitsarana tsy mitanila. Hampiarina : Ny tsy fisian’ny indra-fo ho an’ny kolikoly Ny fanakaikezan’ny asam-panjakana amin’ny olom-pirenena Ny fanaovana ho modely ireo olom-boafidy sy ny mpiasam-bahoaka Ny fanavaozana sy ny fanamafisana ny fitantanana ireo fonja

VELIRANO 4 Fanabeazana sy Kolontsaina ho an’ny rehetra. Ao anatin’izany : Ny fanomezana antoka fa hisy ny rafim-pampianarana ho an’ny rehetra Ny Fanasongadinana ny fahaiza-manao avo lenta Ny fanomezan-danja bebe kokoa ny fampianarana ara-teknika sy arak’asa, indrindra fa anyamin’ny faritany Ny fametrahana ara-pomba ofisialy ny fampianarana sivika sy ny maha olompirenena

VELIRANO 5 Fahasalamana ho an’ny rehetra ka tsy misy sokajin-taona. Hampiarina : Ny fahafahan’ny rehetra mahazo fitsaboana Ny fanatsarana ny fahasalaman’ny Reny sy ny Zaza Ny fanamafisana ny fisoroana ireo aretina mifindra sy ny aretina ankapobeny Ny fanavaozana ny fizarana ny fisotroan-dronono

VELIRANO 6 Asa mendrika ho an’ny rehetra. Tafiditra amin’izany : Ny fampitomboana ny isan’ny sehatr’asa Ny fanofanana sy ny fanarahana eo amin’ny lafin’ny fitadiavana asa Ny fanamafisana orona ny fahaiza-manaom-pirenena Ny fananganana Biraon’ny Asa

VELIRANO 7 Ny Fampiroboroboana ny Indostria an’i Madagasikara Ny fanohanana ny sehatry ny asa malagasy indrindra eo amin’ny tanora sy ny vehivavy Ny fanamorana ny fomba fampiasam-bola eo amin’ny tontolon’ny Indostria Ny fanitarana ny tolotra ara-pizahantany Ny fanasongadinana sy fanelezana ny «Made in Madagascar» na ny «Vita eto Madagasikara»

3 / 5

Page 4: Andry Rajoelina n°13. Ireo velirano miisa 13 hifidianan ...andriamananoro.net/madagascar-informations... · Andry Rajoelina n°13. Ireo velirano miisa 13 hifidianan-tsika azy Mardi,

Andry Rajoelina n°13. Ireo velirano miisa 13 hifidianan-tsika azyMardi, 04 Décembre 2018 19:41 - Mis à jour Mercredi, 27 Février 2019 17:18

VELIRANO 8 Ny Vehivavy sy ny Tanora Malagasy tratry ny Ho avy. Amin’ny alàlan’ny: Mira lenta eo anivon’ny fiarahamonina sy any amin’ny sehatr’asam-panjakana Fanomanana ny tanora amin’ny fanandratana ny Nosintsika

VELIRANO 9 Ny Fahavitan-tena ara-tsakafo. Ho tratra io amin’ny : Fampitomboana ny voka-bary Fanitàrana ny fiompiana sy ny sehatry ny hazan-drano Fanatevenana ny fanampian’ireo mpamboly ary fanavaozana mitodika amina famokaranavaovao Fanatsarana ny fitombon’ny famokarana any amin’ny faritra Fametrahana ny politika nasionaly natokana ho an’ny omby

VELIRANO 10 Ny fitantanana maharitra ny harena voajanaharin-tsika. Ho tanteraka izany amin’ny : Famporisihina ny fizahantany maharitra Fanomezan-danja ny harena an-kibo-tanintsika Fiarovana ny biby, ny zava-boary ary ny tanintsika Fambolen-kazo mivelatra Fiadiana amin’ny fanimbana ny tontolo iainan-tsika

VELIRANO 11 Madagasikara ho lasa moderna amin’ny alalàn’ny : Famoronana tanan-dehibe vaovao hafahan’ny fampiasam-bola mivelatra kokoa Fanitarana sy fampitohizana ireo làlana, seranam-piaramanidina, serana-tsambo ary lalam-byMalagasy Fanamboarana trano ipetrahana sahazan’ny rehetra sy fanamorana ny findramam-bola rahahanorina trano na hiditra eo amin'ny « location-Vente ». Izany hoe, raha tsorina : manofamandritran'ny fotoana voafetra dia lasa tompon'ilay trano ianao Fandrindrana sy fiarovana ny fitaterana ho fanatsarana ny fifamoizana ny entana sy ny olona Fanadiovana ny toeram-bahoaka sy fanatsarana ny fitantanana ny zaoridira Fampivelarana ny tanan-dehibe nomerika

VELIRANO 12 Fahavitan-tena sy fandraisana andraikitra eo amin’ireo faritanin-tsika. Tsy maintsy : Mamorona tanàna misahana manokana ny fandrosoana sy fampandrosoana Mampandray andraikitra ireo faritanin-tsika amin’ny fampandrosoana, ary mametraka symampiroborobo sehatra ho an’ny firaisan-kina Manao laharam-pahamehana ny fiaraha-miasan’ny faritra, ny distrika ary ny kaominina

4 / 5

Page 5: Andry Rajoelina n°13. Ireo velirano miisa 13 hifidianan ...andriamananoro.net/madagascar-informations... · Andry Rajoelina n°13. Ireo velirano miisa 13 hifidianan-tsika azy Mardi,

Andry Rajoelina n°13. Ireo velirano miisa 13 hifidianan-tsika azyMardi, 04 Décembre 2018 19:41 - Mis à jour Mercredi, 27 Février 2019 17:18

VELIRANO 13 Fanatanjahatena Ambo-pom-pirenena ka : Hanangana foto-drafitr’asa ara-panatanjahantena vaovao maro indrindra any amin’ny faritany Hamolavola ny tanora amin’ny alalan’ny fanatanjahantena Hanatsarana ny fahasalamana amin’ny alalan’ny fanatanjahantena Hanangana foibe sy akademia ara-panatanjahantena nasionaly sy hampiatra ny hoe « sport/études » .Izany hoe sady mianatra taranjam-panatanjahantena iray no manohy ny fampianaranamahazatra Hampiatra ny fanomezana vatsim-pianarana manokana ho an’ny mpanao fanatanjahantena Fandikana malalaka ny teny frantsay : Jeannot Ramambazafy

5 / 5