4
Fidel Castro. Adios Amigo! Ny tena tantarany amin’ny teny malagasy Dimanche, 27 Novembre 2016 18:15 - Mis à jour Jeudi, 08 Décembre 2016 07:49 Fidel Alejandro Castro Ruz no tena anarany. Teraka ny 13 aogositra 1926 tao Birán ary nodimandry ny 25 novambra 2016 tao La Havane. Niatra ho dokotera izy ary lasa filoham-panjakana tao Cuba nandritra ny 50 taona latsaka telo taona (1959-2006). Fantaro izy. Batista, nodimandry an-sesin-tany ny 6 Aogositra 1973 tany Espagne Teo anelanelan’ny taona 1933 sy 1959 dia Rubén Fulgencio Batista y Zaldívar, na i Batista fotsiny, miaramila no nitondra ny Firenena tao Cuba. Jadona ny fomba nitondrany io firenena io. Anisan’ireo zava-bitany: nasondrony dimy avo eny ny karamany; naatony ny lalampanoreana; naveriny ny fanameloana ho faty ary nataony ho heloka ny zon’ny olona higrevy. Santionany ireo. Nisy misy izany hoe: «Bureau de répression des activités communistes» izany. Mira ny Dgid tamin’ny andron’ny filoha Didier Ratsiraka fa mafy kokoa ny fanenjehana olona itazonana ny toerany. 1 / 4

Fidel Castro. Adios Amigo! Ny tena tantarany amin’ny … Amigo! Ny tena tantarany amin’ny teny malagasy Ny tena tantarany amin’ny teny malagasy Dimanche, 27 Novembre 2016 18:15

Embed Size (px)

Citation preview

Page 1: Fidel Castro. Adios Amigo! Ny tena tantarany amin’ny … Amigo! Ny tena tantarany amin’ny teny malagasy Ny tena tantarany amin’ny teny malagasy Dimanche, 27 Novembre 2016 18:15

Fidel Castro. Adios Amigo! Ny tena tantarany amin’ny teny malagasyDimanche, 27 Novembre 2016 18:15 - Mis à jour Jeudi, 08 Décembre 2016 07:49

Fidel Alejandro Castro Ruz no tena anarany. Teraka ny 13 aogositra 1926 tao Birán arynodimandry ny 25 novambra 2016 tao La Havane. Niatra ho dokotera izy ary lasafiloham-panjakana tao Cuba nandritra ny 50 taona latsaka telo taona (1959-2006). Fantaro izy.

Batista, nodimandry an-sesin-tany ny 6 Aogositra 1973 tany Espagne

Teo anelanelan’ny taona 1933 sy 1959 dia Rubén Fulgencio Batista y Zaldívar, na i Batistafotsiny, miaramila no nitondra ny Firenena tao Cuba. Jadona ny fomba nitondrany io firenena io.Anisan’ireo zava-bitany: nasondrony dimy avo eny ny karamany; naatony ny lalampanoreana;naveriny ny fanameloana ho faty ary nataony ho heloka ny zon’ny olona higrevy. Santionanyireo. Nisy misy izany hoe: «Bureau de répression des activités communistes» izany. Mira nyDgid tamin’ny andron’ny filoha Didier Ratsiraka fa mafy kokoa ny fanenjehana olona itazonanany toerany.

1 / 4

Page 2: Fidel Castro. Adios Amigo! Ny tena tantarany amin’ny … Amigo! Ny tena tantarany amin’ny teny malagasy Ny tena tantarany amin’ny teny malagasy Dimanche, 27 Novembre 2016 18:15

Fidel Castro. Adios Amigo! Ny tena tantarany amin’ny teny malagasyDimanche, 27 Novembre 2016 18:15 - Mis à jour Jeudi, 08 Décembre 2016 07:49

La Havane. Tranon-doka tamin'ny fitondran'i Batista Ho azy dia fahavalom-pirenena ny kaominista. Satria tokoa tena nirona tamin’ny kapitalisma faho an-dry zareo mpitondra ihany. Nitombo izay tsy izy ny fahantrana. Nanaraka izany kosaanefa ny trano filokana («casinos»), ny fivarotan-tena («prostitution») sy ny hotely raitra diaraitra. Niampy trafikana zava-madomelina. Any ka lasa renivohitr’izany rehetra izany mihitsy nytao La Havana ary ny mafia avy ao Etazonia no nibaiko. Tao anatina 7 taona dia olona miisa20.000 no maty vokatr’izany fitondrana tsy refesi-mandidy izany.

26 Jolay 1953. Tratra ry Fidel Castro (eo ankavia indrindra mirefy 1,91m) sy ny mpiaranitolona taminy, ary nohesorina ny volombavan-dry zareo Teo anilan'izany anefa dia efa nitsangana ry Fidel sy Raul Castro sy ny «Barbudos» (bevolom-bava). Ny 26 Jolay 1953 dia nikasa aka ny toby miaramila La Moncada ao San Diego ryzalahy sy mpitolona eo aminy zato. Tsy nahomby anefa izany ka rehefa notsaraina i FidelCastro dia voaheloka higadra 15 taona any am-ponja ary sazy miatra. Nomena «amnistie»anefa izy ny 15 May 1955. Hoy izy fony izy nivoaka ny fona «ny Tantara no hanome fahamarinana ahy»("La Historia me absolvera"), ary lasa nanao sesin-tany tao Mexique.

Rehefa nandresy ny tolona tany Cuba dia nandeha tany Bolivie indray Che Guevarananampy ny tolona tany. Vosambotra izy ary notifirin'ny tafika boliviana nobaikon'ny CIAamerikana. 39 taona izy no maty

2 / 4

Page 3: Fidel Castro. Adios Amigo! Ny tena tantarany amin’ny … Amigo! Ny tena tantarany amin’ny teny malagasy Ny tena tantarany amin’ny teny malagasy Dimanche, 27 Novembre 2016 18:15

Fidel Castro. Adios Amigo! Ny tena tantarany amin’ny teny malagasyDimanche, 27 Novembre 2016 18:15 - Mis à jour Jeudi, 08 Décembre 2016 07:49

Tao no nahitany an’i Ernesto Rafael Che Guevara, mpitolona revolisionera malazamaneran-tany amin'ny alàlan'io sariny ambony io. Tsy nisy ary tsy misy izay tsy mampiasa iosary io rehefa hoe hitolona izany. Nitovy ny fomba fijerin’i Fidel sy Che Guevara. Ny 2Desambra 1956, niverina tao Cuba indray ry zalahy niampy «Barbudos» miisa 82. Voatosiky nytafik’i Batista anefa ry zalahy ary 20 sisa no velona, nandositra tany aminy alan’ny SierraMadre. Anisan’ireo sisa velona i Fidèle, ny ralahiny Raul ary Che. Nanomboka teo ny «guerilla»na ady anaty akata. Ny vahoka ao Cuba kosa dia niombo-kevitra taminy ny ankamaroany.

Manuel Urrutia Lleo (8 Desambra 1901-5 Jolay 1981), nandimby an'i Batista Nandritra ny roa taona dia nifampitady ny «Barbudos» sy ireo miaramilan’i Batista. Ary tongahatrany amin’ny ady an-trano ( «guerrecivile» )mihitsy raha afohizina ny tantara. Na nanomboka ny 28 Desambra 1958 kosa, maro ireovahoaka nanampy an-dry Castro mirahalahy any ka nia-nalemy ny fitondran’i Batista satriasaika ny tanàna ao Cuba dia azon’ny « Barbudos »daholo. Ny 1 Janoary 1959 ary dia voatery nandositra any Saint-Domingue i Batista, ilay filohampanao didy jadona. Io andro io ihany dia niditra tao Cuba ny «Barbudos»aman’arivony. Tapitra teo ny fitondran’i Batista. Notendrena ho filoha vaovao i Manuel UrrutiaLleo ary natao lehiben’ny tafika i Fidel Castro izay natao Praiminisitra ny 16 Febroary 1959.

Fidel Castro sy Nikita Khroutechv tany Moscou Tamin’izany andro izany moa, nanjaka ny hoe «guerre froide» na ady mankatsiaka ao amin’nyfirenena avy any Andrefana («Bloc de l’Ouest») sy ny any Atsinanana («Bloc de l’Est»). Raha tsorina dia ireo firenena miaraka amin’ny Etazonia na «capitalistes», sy ireo miaraka amin’ny URSS («Union des républiques socialistes soviétiques») na koa ireo «communistes».Cuba moa eo aminy 200 kilometatra monja miala ny sisin-tany amerikana ary natahoran’i JohnF. Kennedy (filoham-pirenena amerikana izay vao voafidy tamin’izany) fatratra izany revolisionatarihin’i Fidel Castro izany, izay mirona miaraka amin’i Moscou. Inona ny hevitra nampiariny?

3 / 4

Page 4: Fidel Castro. Adios Amigo! Ny tena tantarany amin’ny … Amigo! Ny tena tantarany amin’ny teny malagasy Ny tena tantarany amin’ny teny malagasy Dimanche, 27 Novembre 2016 18:15

Fidel Castro. Adios Amigo! Ny tena tantarany amin’ny teny malagasyDimanche, 27 Novembre 2016 18:15 - Mis à jour Jeudi, 08 Décembre 2016 07:49

Ny taona 1961 dia novoriany ny mpifindra monina Kiobana miisa 1.400 tsy tia an’i Castro ka noraisin’ny CIA ny fanofana azy ireo amin’ny ady ary nomena fitaovana amin’izany. Ny tanjona diany fanafiana an’i Cuba ka hanongana ny governemanta napetrak’i Fidel Castro. Izao ny planinamatipaika: 17 Avrily 1961 ny daty ary ao amin’ny Bahía de Cochinos («Baie des cochons»)ny toerana. Afa-baraka anefa i John Kennedy satria sarona ilay fanafihana ary mazava fa tsynahomby.Vao maika lasa tian’ny vahoakany i Fidel Castro.

Tsy manaiky izany faharesena izany anefa ny Bekintana ka nanomboka ny 13 Febroary 1962dia natao fay rano («embargo») i Cuba. Izany hoe tsy misy entana avy ao Amerika sy ireofirenena miaraka aminy, na inona io na inona, mahazo miditra ao Cuba ao. Ny vazaha moavazaha ihany ary ny tombontsoany ihany no mibaiko ny politikany. Marina fa mifampisakaizaamin’i Moscou i Cuba. Porofon’izany ny nametrahan’ny sovietika toby misy «missiles»afaka mitondra baomba atomika tao aminy. Volana Oktobra 1962: nahare izany ny filohaKennedy, satria hitan’ireo sampana fitsikilovana anabakabaka io toby, ka entitra nyfanapahan-keviny satria nisy koa fifanarahana natao tany aloha tany mba tsy hifanafika syhampiasa fitaovana nokleary.

Ny 22 Oktobra 1962 dia nanao kabary ho an’ny vahoaka amerikana ny filoha Kennedy. Izao nyvontoatiny: tsy ekena izany sovietika mametraka fitaovam-piadiana ao Cuba izany. Rahasanatria manafika ny tanàna iray aty Etazonia dia hamaly ry zareo. Nanampy izanyfanambarana izany moa ny nanamafisana ny toby amerikana ao Guantanamo, ao Cuba,andefasana ireo mpampihorohoro amin’izao fotoana izao. Ary ambavan’ny ady lehibe fahatelo («3è guerre mondiale») ny Tandrefana sy ny Tatsinanana noho ireo resaka «missiles»ireo. Kanjo moa nihemotra i Nikita Khroutchv, lehiben’ny URSS ary nifanaraka tamin’nyAmerikana va hoesoriny ireo «missiles»ireo fa kosa tsy mahazo manafika an’i Cuba ry zareo.

Didier Ratsiraka sy ny "cigare de... La Havane". Manodidina azy, ankavia mankanyhavanana: Richard Andriamanjato, Justin Rakotoniaina, Manandafy Rakotonirina et Marojama Razanabahiny, samy CSR ( "Conseillers Suprêmes de la Révolution") daholo Nanomboka teo dia nisintaka tamin’ny rehetra i Fidel Castro. Ny antony? Tsy nahafaly azy ilayfanapahan-kevitra tsy nampahalana azy. Ary dia kaominisma hafa mihitsy ny tao Cuba tao. Teoanelanelan’ny taona 1959 sy 2006 izy no nitondra ny firenena. Filoham-pirenena folo nonifampisolo toerana fa i Cuba dia Cuba ihany. Anisan’ny mpikambana ao amin’ilay hoe «pays non-alignés»izy miaraka amin’i… Madagasikara tamin’ny andron’ny Filoha Didier Ratsiraka izay nitarika nyrevolisiona sosialista malagasy.

Ny Papa Ray masina François miresaka amin'i Fidel Castro, ny 21 Septambra 2015 Rehefa nitsahatra teo aminy maha mpitondra azy i Fidel Castro, noho ny toe-pahasalamany,dia ny ralahiny, Raul Castro no nandimby azy vonjimaika («intérim»), nanomboka ny 31 Jolay2006, alohan’ny nahavoafidy azy ho Filohan’ny filan-kevi-mpanjakana sy filank-kevitry nyminisitra kiobana, nanomboka ny 24 Febroary 2008 ka hatramin’izao nahalasan’i Fidel, zokinydimy taona.

Ny 25 Novambra 2016 i Fidel Castro no nodimandry tao Santiago de Cuba. 90 taona izy. RaulCastro no nanao ny fanambarana tamin’ny televiziona nasionaly tany an-toerena: «Nodimandryny komandy lehibe mpitarika ny revolisiona kiobana». In-droa i Fidel Castro no nanambady ary 9 ny zanany. Nanana ny naha-izy azy tokoa izy arytsy nety nolembenana mihitsy. Eny na dia maro ihany ny nahantra tamin’ny fotoana nitondrany,noho ireo resaka «embargo»io. Nanao jadona ve sa tsia i Fidel Castro? Anjaran’ny Malagasy nandranto fianarana tany(maro izy ireo tamin’ny andron’i Didier Ratsiraka) ny mamaly izany. Vita ny asany tety an-tany.Ary misy farany ny zava-drehetra, na tsara io na ratsy.

Ho eo ambon'i Cuba mandrakariva ny alok'i Fidel Castro fantatra koa amin'ny anaranahoe "Lider Maximo" Fa ny Cuba aorian'i Fidel Castro kosa dia firenen-kafa indray, hisokatra amin'ny rehetra. izay nyfaniriana. Fa izao aloha dia misaona 9 andro ny firenena kiobana iray manontolo. Ny 4Desambra 2016 izy no halevina ao Santiago de Cuba. Izay no vita ny amin'nytantaran'olombelona malaza iray. Ny asany sisa no tsy ho adinon'ny Tantara. Izay daholo nomiandry antsika, na malaza na tsia, ary tsy misy hoentina any ankoatra tsy hita maso any na nyariary aza, ka aza maimaika... Dieny mbola velona ety an-tany dia mba mametraha lova tsaraho an'ny taranaka fa tsy alahelo sy ranomaso ary fomba mamoehatra. Jeannot Ramambazafy - 27 Novambra 2016

4 / 4