44

FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · ny ady atao amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona ; 3. ... amin’ny zaa vilana eo amin’ny sehatin’ny fampianaana sy ny

  • Upload
    vuduong

  • View
    247

  • Download
    6

Embed Size (px)

Citation preview

Page 1: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · ny ady atao amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona ; 3. ... amin’ny zaa vilana eo amin’ny sehatin’ny fampianaana sy ny
Page 2: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · ny ady atao amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona ; 3. ... amin’ny zaa vilana eo amin’ny sehatin’ny fampianaana sy ny

FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA

Natao ny

Alarobia 9 Desambra 2015

Tolak’andro Pejy - Fitohizan’ny fivoriana ............................................................................................................ 01 - Fiantsoana anarana ............................................................................................................... 01 - Famakiana ny tatitra ............................................................................................................. 02 - Fanamarihana sy fanitsiana ny tatitra ................................................................................... 08 - Famelabelarana ny antonanton’ny Volavolan-dalàna .......................................................... 09 - Adihevitra ankapobeny ......................................................................................................... 11 - Fandraisam-pitenenana ataon’ny Solombavambahoaka ..................................................... 29 - Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny androsoana ny fandaharam-potoana ............ 37 - Tatitra momba ny raharahan’ny Solombavambahoaka NIARISY Mara ................................ 39 - Fiatoan’ny fivoriana ............................................................................................................... 40

Page 3: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · ny ady atao amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona ; 3. ... amin’ny zaa vilana eo amin’ny sehatin’ny fampianaana sy ny

1

FIVORIAMBE FILOHA : Andriamatoa RAKOTOMAMONJY Jean Max MPITANTSORATRA : Andriamatoa HELSON Brisson Erafa

FOTOANA : Alarobia 9 Desambra 2015, tamin’ny 3 ora sy 40 minitra, tolak’andro. FANDAHARAM-POTOANA :

- Fandinihana sy fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny volavolan-dalàna laharana faha-043/2015 tamin’ny 11 Novambra 2015 « portant orientation de la Politique Nationale de l’Emploi et de la Formation Professionnelle (PNEFP) ».

- « Compte-rendu : Commission d’enquête Parlementaire (Affaire Député MARA Niarisy) »

- 1 -

- Fitohizan’ny fivoriana -

- Lakolosy - Andriamatoa FILOHA Andriamatoa sy Ramatoa isany namana mpiara-mikambana ao amin’ny Birao Maharitry ny Antenimierampirenena ; Andriamatoa Minisitry ny Fampianarana Teknika ary ny Fanofanana arak’asa; Andriamatoa sy Ramatoa isany Solombavambahoaka hajaina; Ianareo Teknisiana ambony manotrona an’Andriamatoa Minisitra. Faly miarahaba anareo rehetra tonga manatrika izao fivoriana izao. Araka ny mahazatra, tokony hiroso amin’ny fiantsoana anarana isika kanefa heverina, mba hahaingana kokoa antsika amin’ny fanaovana ny raharaha dia ianareo Solombavambahoaka hajaina no angatahana samy hanonona ny laharany hanamarihana ny fahatongavana. Koa manainga am-panajana anao, Andriamatoa Solombavambahoaka, hanonona ny laharana sy ny anarana mba ahafahana manamarika izany.

- 2 - - Fiantsoana anarana -

Andriamatoa HELSON Brisson Erafa ABDILAH ……………………… ………………….……………………………. ................................................................. TSIVOULANGNE Maximin

Page 4: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · ny ady atao amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona ; 3. ... amin’ny zaa vilana eo amin’ny sehatin’ny fampianaana sy ny

2

Misaotra antsika tamin’ny fandraisana anjara mavitrika tamin’ny fiantsoana anarana teo. Andriamatoa FILOHA Tompokolahy sy Tompokovavy, Ny fandaharam-potoanantsika izao tolak’andron’ny Alarobia 9 desambra 2015 izao dia fivoriambe handinihana sy handraisana fanapahan-kevitra mikasika ny volavolan-dalàna laharana faha-043/2015 tamin’ny 11 Novambra 2015 mikasika ny soridalana hitondrana ny politikam-pirenena momba ny asa sy ny fanofanana arak’asa. Koa iangaviana avy hatrany ny Mpampakatenin’ny Vaomieran’ny Fampianarana ara-teknika sy ny Fanofanana arak’asa hiroso etz anoloana. Araka ny mahazatra antsika dia arahintsika tehaka izany.

- Tehaka - Iangaviana ianao handray toerana, Ramatoa Mpampakateny ary omena anao avy hatrany ny fitenenana.

- 3 - - Famakiana ny tatitra -

Ramatoa RASOANOROMALALA Marie Horace Misaotra, Andriamatoa Filoha. Miarahaba antsika mianakavy. Nivory ny Zoma faha-4 Desambra 2015 tamin’ny 3 ora sy sasany, hariva, ny Voamieran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa nandinika ny volavolan-dalàna laharana faha-043/2015 tamin’ny faha-11 Novambra 2015 “portant orientation de la Politique Nationale de l’Emploi et de la Formation Professionnelle”. Andriamatoa RANDRIANANTENAINA Olivier Antonny José, Filohan’ny Vaomieran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa no nitarika ny fivoriana. Ireto avy ireo mpikambana tonga nanatrika ny fivoriana: Ramatoa sy Andriamatoa isany:

RANDRIANANTENAINA Olivier Antonny José

RASOANOROMALALA M.Horace

RANDRIAMAMPIANINA Ramilison

DINAH Romuald

RAHANTASOA Lydia Ireto avy kosa ireo teknisiana tonga nisolo tena ny Governemanta, Andriamatoa sy Ramatoa isany: - RAMANANTSOA Ramarcel Benjamina MINISTRE - RAKOTOMALALA Andrianjaka Miadana DIRECTEUR DES EXAMENS/MEETFP - RAZAFINDRIANIAINA Minosoa Anjaratiana Elia DAIPJSE/DGPE/MEETFP

Page 5: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · ny ady atao amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona ; 3. ... amin’ny zaa vilana eo amin’ny sehatin’ny fampianaana sy ny

3

- ANDRIANTARIJAKA Christophe DIRECTEUR DES ETABLISSEMENT/MEETFP - RANDRIAMARO Jean Roland DGPE/MEETFP - RAKOTOZAFY Isabelle CONSEILLER TECHNIQUE MEETFP - MOUNTANAH Olivia INSPECTEUR MEETFP Rehefa avy niarahaba ny mpivory Andriamatoa Filoha dia nanome ny fitenenana an’Andrimatoa Minisitra mba hitondrany fanazavana mikasika ity volavolan-dalàna ity. Raha nandray fitenenana Andriamatoa Minisitra dia nilaza fa efa nandalo ambaratonga maro ity volavolan-dalàna ity toy ny Filankevitry ny Governemanta sy ny Filankevitry ny Minisitra. Ity volavolan-dalàna ity dia politikam-pirenena ho an’i Madagasikara. Araka izany dia nofaritan’ny mpiantsehatra maro izy ity na avy amin’ny Fanjakana na avy amin’ny sehatra tsy miankina. Mandrakotra vanim-potoana lava ny fampiharana azy ity, mivelatra amin’ny 2015 ka hatramin’ny 2019. Miankina amin’ny fototra telo izao volavolan-dalàna izao dia:

Ny Vinan’ny Filohampirenena amin’ny teny hoe “Madagascar Moderne et Prospère”.

Miankina amin’ny fanatratrarana ny “Objectif du Développement Durable” na ODD.

Teza stratejika goavana entina manatanteraka ny Paikady Natao Din’asa na PND ka ny « valorisation » ny « capital humain » no laharam-pahamehana amin’izany.

Araka izany dia tsy azo ihodivirana tokoa izany satria miantoka ny hisian’ny asa mendrika sy ny fampivoarana ny firenena. Efa nahazo fanampiana avy amin’ny mpiray antoka sosialy (Partenaires sociaux) ihany koa ny Fanjakana toy ireo fikambanana orinasa maro toy ny GEM, « Confédération des Travailleurs Malagasy ». Izany fanohanana ny fikambanana orinasa sy ny vondrona mpandraharaha izany dia mifototra amin’ny teboka stratejika 5 izay voarakitra ao amin’ny « Accord national sur l’emploi et la formation professionnelle » dia ny :

Tourisme, Hôtellerie et Restauration ;

Bâtiment et Travaux Publics/Ressources stratégiques ;

Technologies de l’Information et de la Communication ;

Textile, Habillement, Accessoire ;

Développement Rural. Ahitana lohateny 5 izao volavolan-dalàna izao ary andininy miisa 54. Ny tanjona lehibe kendren’ity volavolan-dalàna ity dia ny fananan’ny tsirairay asa mendrika (emploi décent), ny fitoviana isam-paritra, fampivoarana ny fahaiza-manaon’ny tsirairay ary ny fidirana amin’ny sehatra ara-dalàna (secteur formel). Raha ny taloha no jerena dia “Formation-Emploi” no nampiharina teto amin’ny firenena. Raha ity volavolan-dalàna ity kosa no jerena izay miresaka ny “Politique Nationale de l’Emploi et de la Formation Professionnelle na PNEF, dia lasa “Emploi-Formation” izany hoe ny asa hatao no ianarana. Izany fijery izany dia nohamafisin’ny fifanakolazana teo amin’ireo mpiantsehatra maro voakasik’izay. Natao izany mba hampifanojo ny tolotra sy ny tinady eo

Page 6: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · ny ady atao amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona ; 3. ... amin’ny zaa vilana eo amin’ny sehatin’ny fampianaana sy ny

4

amin’ny asa. Olona maro, noho izany, no nandrafitra azy. Narafitra izany tamin’ny nanaovana ny “statégie sectorielle de développement de compétence” sy ny “états généraux de l’emploi et de la formation”. Manarak’izany dia efa nisy ihany koa ny mpamatsy vola maro tonga tamin’izany. Mifototra amin’ny teboka telo ny PNEF dia ny :

ODD;

Ny Vinan’ny Filohampirenana;

Ny PND na Paik’ady natao din’asa. Heverina ho fanovana ara-drafitra goavana izy ity satria tokony ho mora hahita asa ny tsirairay avy ary tokony hampivelatra ny “capacité d’accueil” ny orinasa tsirairay izany amin’ny alalan’ny fanofananana arak’asa omen’ny orinasa. Hita ato ary ny atao hoe:

“Gouvernance partenariale

Investissement prioritaire du pays dans l’emploi et la formation des jeunes

Reconnaissances des compétences acquises

Implication renforcée des professionnels et des entreprises » Misy rantsana lehibe roa ny PNEF dia ny: « Système de développement des compétences » sy ny « Mesures favorables à la création et la protection de l’emploi ». Ny rantsana voalohany dia mizara teza (axe) enina:

1. “Gouverner de manière partenariale la mise en oeuvre de l’ETFP/DC” izay ifarimbonan’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina.

2. « Financer la réforme de l’EETFP/DC à la hauteur des défis à relever », izay mametraka tahirim-bola iombonana entina miatrika izany PNEF izany. Marihana fa efa nisy ny fanadihadiana nataon’ny AFP entina manangana azy io.

3. « Mise en place d’un système d’information pertinent sur le marché du travail et la formation professionnelle » izay ahitana ny fiaraha-miasan’ny Minisitera sy ny INSTAT.

4. « Concevoir et instituer une ingéniérie harmonisée de certification et de formation » : Azo hamarinina foana ny fahaizan’ilay olona na dia tsy manana marim-pahaizana aza izy. Misy ny rafitra nasionaly entina mampihatra izany sy ny Vaomiera manara-maso.

5. « Promouvoir des dispositifs d’ETFP/DC équitables et adaptés aux défis à relever » : tsy tokony havangongo eto Antananarivo daholo ny toeram-piofanana fa haparitaka any amin’ny faritany ihany koa. Manaraka izany dia ampitomboina ny « capacité d’accueil » an’ireo toerana ireo.

6. « Former pour insérer et réinsérer » : apetraka amin’izany ny fifandraisan’ny toeram-piofanana sy ny tsenan’ny asa. Ezahina ampidirina ao anatin’ny mpiofana ihany koa ny « culture entreprenariale »

Page 7: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · ny ady atao amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona ; 3. ... amin’ny zaa vilana eo amin’ny sehatin’ny fampianaana sy ny

5

Ny rantsana faharoa dia misy teza telo: 1. Dynamiser le marché du travail en favorisant la promotion des activités priveés

créatrices d’emploi ; 2. Promouvoir l’application de la législation du travail : Tafiditra amin’izao teboka izao

ny ady atao amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona ; 3. Promouvoir l’application et l’extension du dispositif de protection sociale à tous.

Marihina fa ny fitadiavana tombony na « valeur ajoutée » hita mivaingana no tanjona amin’izany. Raha nanohy ny fanazavana ny teknisiana dia nilaza fa ny « Gouvernance Partenariale » izay vaovao teo amin’ny tantaran’ny Madagasikara dia fitaovana iray entina manatanteraka politika vaovao. Io « Gouvernance partenariale » io dia fiaraha-miasa ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina. Ny andrasana amin’izany dia ny fitomboan’ny « Ressources humaines » sy ny « Ressources financières » satria lasa mampiofana tanora hiasa ny sehatra tsy miankina. Vokatr’izany dia ny ady mahomby amin’ny fahantrana sy ny fitomboan’ny harin-karena faobe (Croissance économique). Marihana ihany koa anefa fa ny « ressources financières »dia mety misy avy ato anatiny sy avy any ivelany. Efa misy ny “Comité de Pilotage” misahana izany. Ampiharina ao anatin’ny PNEFP izy io izay fitaovana entina miady amin’ny zara vilana eo amin’ny sehatrin’ny fampianarana sy ny asa.Vitsy dia vitsy ny « Lycée » teknika eto amin’ny Firenena ary ny ankamaroany dia mivangongo eto Antananarivo avokoa.Tsy vitany vitsy izy ireofa tsy ampy fitaovana ihany koa. Manaraka izany, mitondra vokatsoa ho an’ny mpampianatra ihany koa izy io satria hahazo fiofanana ireto farany. Ny zavatra tsara marihina ato anatin’ity volavolan-dalàna ity dia ny fanafoanana ny tsy fitoviana isam-paritra. Napetraka araka izany ny rafitra entina mampandray anjara bebe kokoa ny faritra. Laharam-pahamehana izany satria ny tanjona dia ny “compétitivité” sy ny “productivité”. Ny fitaovana iray entina manamafy izany dia ny fampiasana ny VAE na “Validation des Acquis et Expériences”. Izany fitaovana izany dia entina mampisy lanja ny traikefa anan’ilay olona na dia tsy manana marim-pahaizana aza izy ka tokony ny fahaiza-manaon’ny tsirairay no avohitra araka izany. Taorian’izany dia niroso tamin’ny fametrahana fanontaniana sy nanolotra soso-kevitra ny mpivory. FANONTANIANA:

1. Tokony apetraka tsara, mifamindran-dalàna amin’io PNEFP io koa ny “promotion de l’emploi des jeunes et de la femme”. Ahoana no hametrahana ny kitapom-bola mifanaraka amin’izany?

2. Inona no fomba tokona atao hampiroboroboana ny fampianarana ara-teknika sy ny handresen-dahatra ny raiamandreny hampiditra ny zanany any ?

3. Inona no tokony hatao mba ampitovy lenta ny fampianarana ara-teknika sy ny « enseignement général » satria hita fa dia mihiba dia mihiba tokoa ny fampianarana ara-teknika?

Page 8: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · ny ady atao amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona ; 3. ... amin’ny zaa vilana eo amin’ny sehatin’ny fampianaana sy ny

6

VALINY : 1. Efa voahevitra ato amin’ity Volavolan-dalàna ity ny fijerena ny « approche genre » sy

ny fiheverana ny tanora manokana. Misy araka izany tetik’asa hahazo famatsiam-bola atao hoe « Jeunes ruraux descolarisés ». Entina mamerina ny tanora any ambanivohitra eo amin’ny tontolon’ny asa izany. Heverina ihany koa ny tetik’asa hafa atao hoe “Jeunes Urbains déscolarisés”. Hanokanana kitam-bola avokoa ireo tetik’asa ireo.

2. Ny fandresen-dahatra ny Raiamandreny dia miankina amin’ny asa hatao ihany. 3. Tena efa mihevitra izany mihintsy ny minisitera ary tsy fampanantenana fotsiny izany.

Hita sy tsapa mantsy fa ny firenena matanjaka dia manana fampianarana ara-teknika mari-pototra. Tokony ho tsapantsika anefa fa tsy tokony hifaninana ny fampianarana ara-teknika sy ny fampianarana ankapobeny fa tokony hiara-dalàna. Tsy tokony hionona fotsiny amin’ny fanana marim-pahaizana be toy ny “doctorat” vao heverina hoe tafita. Izany no antony nametrahana ilay VAE izay faritan’ny « Cadre National de Certification » (CNC).

Soso-kevitra avy amin’ny mpivory: Tokony hotohanana ity volavolan-dalàna ity ka amin’ny alalan’ny fampitomboana ny tetibolan’ny Ministera no ahafahana manao izany. Maro ihany koa ireo tanora tsy manana asa ka tokony homena asa indrindra fa ireo any ambanivohitra. Taorinan’izany dia niroso tamin’ny fandanihana ny volavolan-dalàna isan’andininy ny mpivory. FAMELABELARANA NY ANTONANTONY: Lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. LOHATENY VOALOHANY: Andininy voalohany sy andininy faha-2 : Lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. TOKO VOALOHANY Andininy faha-3: Lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. TOKO FAHAROA: Andiny faha-4: Lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. TOKO FAHATELO: Andininy faha-5 ka hatramin’ny andininy faha-8: Lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. LOHATENY FAHAROA TOKO VOALOHANY: Andininy faha-12 ka hatramin’ny andininy faha-17: Lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. TOKO FAHAROA Andininy faha-18 ka hatramin’ny andininy faha-20: Lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna.

Page 9: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · ny ady atao amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona ; 3. ... amin’ny zaa vilana eo amin’ny sehatin’ny fampianaana sy ny

7

TOKO FAHATELO Andininy faha-21 ka hatramin’ny andininy faha-23: Lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. LOHATENY FAHATELO TOKO VOALOHANY Andininy faha-24 ka hatramin’ny andininy faha-26: Lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. TOKO FAHAROA Andininy faha-27 ka hatramin’ny andininy faha-32: Lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. TOKO FAHATELO Andininy faha-33 ka hatramin’ny andininy faha-39: Lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. TOKO FAHEFATRA Andininy faha-40 ka hatramin’ny andininy faha-42: Lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. LOHATENY FAHEFATRA TOKO VOALOHANY Andininy faha-43 ka hatramin’ny andininy faha-47: Lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. TOKO FAHAROA Andininy faha-48 ka hatramin’ny andininy faha-50: Lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. LOHATENY FAHADIMY Andininy faha-51 ka hatramin’ny andininy faha-54: Lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna. Araka izany dia nolaniana ny mpivory tamin’ny endriny tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovàna ny volavolan-dalàna laharana faha-043/2015 tamin’ny faha-11 Novambra 2015 “portant orientation de la Politique Nationale de l’Emploi et de la Formation Professionnelle”. Nifarana tamin’ny 6 ora, hariva, ny fivoriana rehefa avy nisaotra ny mpivory, Andriamatoa Filoha.

- Tehaka -

Page 10: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · ny ady atao amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona ; 3. ... amin’ny zaa vilana eo amin’ny sehatin’ny fampianaana sy ny

8

- 4 - - Fanamarihana sy fanitsiana ny tatitra -

Andriamatoa FILOHA Izany tehaka mirefodrefotra izany, Ramatoa Mpampakateny no fisaorana sy fankasitrahana tamin’ny tatitra izay nentinao teo. Hanontany antsika aho: sao misy manana fanamarihana na fanitsiana ny avy amintsika Solombavambahoaka. Tsy misy. Hitodika aminareo avy ao amin’ny Governemanta: Andriamatoa Minisitra, sao dia misy fanamarihana na fanitsiana tamin’ny tatitra izay natao teo. Omena anao am-panajana ny fitenenana, Tompoko. Andriamatoa RAMANANTSOA Ramarcel Benjamina, Minisitry ny Asa, ny Fampianarana Teknika ary ny Fanofanana arak’asa Misaotra, Andriamatoa Filohan’ny Antenimierampirenena. Manararaotra aloha eto am-boalohany mitondra ny fiarahabana anareo ao amin’ny Birao Maharitry ny Antenimierampirenena ary ianareo Solombavambahoaka tonga manatrika an’izao fotoana izao. Misy fanitsiana vitsy kely fotsiny atolotray, Andriamatoa Filoha. Ao amin’ny pejy faha-4, amin’ny tapany faharoa hoe: “Ny rantsana voalohany dia mizara teza na “axe 6”. Amin’ny teboka faha-2 « Financer la réforme de l’EETFP/DC à la hauteur de défis à relever » izay mametraka tahirim-bola iombonana entina miatrika izany PNEF izany. Ny fehezan-teny farany, tsy hoe: « nisy » fa efa hisy fanadihadiana izay vatsian’ny AFD « Agence Française pour le Développement », tsy AFP akory fa AFD. Ao amin’ny pejy faha-5, andalana alohan’ny farany. Mikasika ny VAE: ny marimarina kokoa dia “Validation des Acquis de l’Expérience”. Ny « acquis » tsy misy « t » fa tonga dia « s » Izay no fanalavana ny VAE. Izay, Andriamatoa Filoha, no fanitsiana avy atz aminay. Manolotra ny fisaorana ihany koa an-dRamatoa Mpampakateny tamin’ny tatitra nataony teo. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Minisitra, tamin’ny fandraisanao fitenenana. Satria tsy misy manan-kolazaina intsony, koa omena fisaorana ianao, Ramatoa Mpampakateny, nitondra ny tatitra teo. Omen-dalana am-panajana ianao ho eny amin’ny toeranao.

Page 11: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · ny ady atao amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona ; 3. ... amin’ny zaa vilana eo amin’ny sehatin’ny fampianaana sy ny

9

- Tehaka - Misaotra indrindra, Tompoko. Amin’izao fotoana izao, mbola omena anao am-panajana indray ny fitenenana, Andriamatoa Minisitra, hanazavanao amin’ny Antenimierampirenena ny antonanton’ity volavolan-dalàna ity. Miangavy anao am-panajana, Tompoko, hitondra ny fitenenana hanazavanao ny volavolan-dalàna. Mahazo mipetraka eny amin’ny toeranao ihany, Tompoko.

- 5 - - Famelabelarana ny antonanton’ny Volavolan-dalàna -

Andriamatoa RAMANANTSOA Ramarcel Benjamina, Minisitry ny Asa, ny Fampianarana Teknika ary ny Fanoranana arak’asa. Misaotra, Andriamatoa Filohan’ny Antenimierampirenena, nanome ny fitenenana. Manantitra ny fiarahabana ho anao, Andriamatoa Filohan’ny Antenimierampirenena; Ianareo mpikambana ao amin’ny Birao Maharitra; Ianareo mpikambana eo anivon’ny “Commission de l’Enseignement Technique” sy ny « Formation Professionnelle » izay tarihin’Andriamatoa Filohan’izany « Commission » izany. Ianareo namana Solombavambahoaka tonga manatrika izao fotoana izao. Ity volavolan-dalàna ity dia volavolan-dalàna momba ny soridalana itondrana ny politikam-pirenena mikasika ny fampisahanana asa sy ny fanofanana arak’asa na “Loi d’orientation”. Araka ny efa voalaza tao anatin’ny tatitra nataon-dRamatoa Mpampakateny teo; ny fototra niangainy dia nofaritan’ireo mpisehatra maro lafy ara-panjakana sy tsy miankina amin’ny fanjakana. Raha ny antony indray hoe ahoana no nanaovana azy ho soridalan-kitondrana izany politikam-pirenena izany fa tsy nionona tamin’ny fananana ny “document cadre”; mitaky lalàna ny soridalana itondrana ny politikan’ny fampisahanana asa sy ny fanofanana ho amin’ny asa. Ilaina izany lalàna izany ahafahana mampiditra ho lalàna velona eto amin’ny tany sy ny fanjakana ireo fanavaozana izay hotontosaina. Ny PNEFP izay fe-potoana hanatanterahina azy, araka ny voatsiahy tao anaty tatitra, manomboka amin’izao taona 2015 izao ary mifarana ny taona 2019. Mifototra amin’ny fanatanterahana ny vina izay napetraky ny Filohampirenena ho Madagasikara maoderina sy mandroso (Moderne et prospère). Miray tendro amin’ny fanatratrarana ny “Objectif de Développement Durable” izay napetraky ny « Nations Unies », indrindra teza « stratégie » goavana ao anatin’ny fanatanterahana ny paik’ady natao din’asa na ny PND.

Page 12: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · ny ady atao amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona ; 3. ... amin’ny zaa vilana eo amin’ny sehatin’ny fampianaana sy ny

10

Raha ny foto-kevitra no resahina: fepetra tsy azo idovirana ho an’ny fivoarana, ny fampiroboroboana sy ny fampandrosoana maharitra ny firenena iray ny fahafahan’izany tany izany mampivoatra ny fahalalana sy ny fahaiza-manaon’ny mponina miasa ao aminy, indrindra ireo tanora maro ao anatiny. Miantoka ny fahatomombanan’ny ezaka hisian’ny asa mendrika sy mahamendrika koa izany. Koa noraisina ho laharam-pahamehana eo amin’ny fampivelarana ny fahaiza-manao teknika sy arak’asa ato amin’ny PNEFP ireto sehatra dimy manaraka ireto araka ny voatsiahy teo : ny fizahan-tany, ny fandraisam-bahiny sy ny fampisakafoanana (tourisme, hotellerie et réstauration). Eo koa ny fanorenan-trano sy ny asa vaventy ary ny loharanon-karena iankinan’ny firenena; na ny “bâtiment, travaux publics et ressources stratégiques”. Eo ny torohay sy ny serasera na ny TIC ; ny taozavatra momba ny lamba fitafy, fampihaingona na ny “textile habillement et accessoires”. Eo koa ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra na ny “développement rural”; izay ahitana ny fambolena, “agri-busness”, ny jono ary ny fiompiana. Araka ny voalaza teo, narafitry ny sehatra isanisany ity PNEFP ity ary namoahana ny paik’ady isan-tsehatra momba ny fampivelarana ny fahaiza-manao; na ny “stratégie sectorielle de développement de competence”. Efa voatsiahy teo ireo teza isan-karazany hita ato anatin’ity volavolan-dalàna ity, fa ny tiana hasiana tsindrim-peo dia nahazoana ny fanekena sy ny fandaniana an-tsitrapo avy amin’ireo mpiray antoka ara-tsosialy (partenaires sociaux) sy ara-tsehatra na ny (partenaire sectoriel) ary ara-teknika sy ara-bola (PTF) momba izany politikam-pirenena mikasika ny fampisahanana asa sy ny fanofanana arak’asa izany, tamin’ny alalan’ny fanaovan’izy ireo sonia ny dinam-pirenena amin’ny fampanana asa sy ny fampiofanana arak’asa na ny “accord national sur l’emploi et la formation professionnelle”. Maro lafy izy ireo, tao anatiny ny “Confédération des Travailleurs Malgaches” izay misolo tena ny « syndicat », ny « Groupement des Entreprises de Madagascar » na ny GEM, ny « Syndicat des Industries de Madagascar » na ny SIM, ny « Groupement des Entreprises Franches et Partenaires », ny GOTICOM, ny « Syndicat des Entrepreneurs des Bâtiments et des Travaux Publics ». Ny fanaovan’izy ireo sonia an’izay « Accord National sur l’Emploi et de la Formation Professionnelle » izay no nanamarihany ny « engagement » noraisiny amin’ny fidirana amin’ny fiaraha-mitantana ny fanatanterahana an’ity politikam-pirenena momba ny fampisahanana asa sy ny fanofanana arak’asa ity. Naneken’izy ireo handray anjara amin’ny famatsiana ara-bola ny fanatanterahana ny PNEFP koa amin’ny fametrahana ny « fonds » iray hisahana ny fampandehanana ny « formation professionnelle » eto Madagasikara. Hanamafy ny lenta ny PNEFP ny fankatoavan’ny solotenan’ny vahoaka izay nanankinany ny fahefany ary ny fankatoavan’ny solotenan’ny vahoaka izany avy amin’ny fanatanterahanareo Solombavambahoaka ny fandaniana ny lalàna velona eto amin’ny firenentsika an’ity lalàna soridalana ity. Ny votoatin’ny lalàna soridalana izay omena antsika dia efa voateny tao amin’ny tatitra nataon-dRamatoa Mpampakateny teo. Araka ny voalaza, misy lohateny dimy ary ahitana andininy miisa 54. Ao anatin’izay ny famaritana ny fotokevi-dehibe, ny lahasa fanomanana, ny fandaminana sy ny fanatontosana, ny famatsiam-bola, ny fanajariana ireo rafitra fampahalalana mifandraika

Page 13: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · ny ady atao amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona ; 3. ... amin’ny zaa vilana eo amin’ny sehatin’ny fampianaana sy ny

11

amin’ny filàn’ny tsenan’ny asa sy ny fanofanana arak’asa. Ny mombamomba ny taratasy fanamarinam-pahaizana ary ny fampananan-kery ny traikefa azo. Izay no zava-baovao entin’ity volavolan-dalàna ity. Ankoatran’ny “gouvernance partenariale” iarahana satria « paritaire » izy io; noho izany, mitovy ny isan’ny solotenan’ny fitondram-panjakana sy ny “Groupement des Entreprises” ary ny solotenan’ny “partenaires sociaux” ao anatin’ny fitantanana ny fanatanterahana ity politikam-pirenena ity. Fanampin’izay, eo ny famatsiam-bola. Ny fampananan-kery ny traikefa azo na ny VAE dia mitondra fiovàna lehibe eto amin’ny firenentsika. Hatramin’izay, ny diplaoma foana no nentina nanamarinana ny farim-pahaizana ananana. Ity politikam-pirenena ity kosa avy amin’ity lalàna soridalana ity dia mampiditra ny fanomezana lanja sy hery ny traikefa azo na tsy manana diplaoma aza ny olona. Mitaky an’izany ny fametrahana rafitra iray vaovao, tsy inona izany fa ny “cadre national de certificat”. Hita amin’ity volavolan-dalàna ity koa ny politika fampanjariana ny asa mendrika sy ny maha mendrika ary ireo vokatra andrandraina eo amin’ny fiatombohan’ny asa ara-dalàna sy araka ny vanim-potoana. Raha fehezina izay rehetra izay: ny kendren’ity volavolan-dalàna soridalana ity dia ny fanajariana politika hamoronana asa betsaka eto amin’ny firenena sy fanofanana ho amin’ny asa mandritra ny androm-piainana hiasana ao anaty tontolo mandala ny fitovian-jo; mandala ny fitoviana isam-paritra ary mametraka an’izany fitoviana izany ho ara-drariny izay soa toavina mandrafitra ny fampandrosoana maharitra. Izay no anasana antsika Solombavambahoaka mba handany azy ho lalàna velona eto amin’ny firenentsika. Misaotra, Andriamatoa Filohan’ny Antenimierampirenena. Misaotra anareo Solombavambahoaka.

- Tehaka -

- 6 - - Adihevitra ankapobeny

Andriamatoa FILOHA Izany tehaka mirefodrefotra izany, Andriamatoa Minisitra, no mariky ny fankasitrahan’ny Solombavambahoaka ny fandraisam-pitenenana nataonao teo. Koa isaorana ianao araka ny fanazavana narosonao teo. Hiroso amin’ny adihevitra ankapobeny isika. Efa misy sahady ny nisoratra anarana fa izay mbola handray fitenenana rehefa avy eo, horaisina am-pitiavana sy am-panajana izany. Mandray fitenenana voalohany, ny Solombavambahoaka TSIVOULANGNE Maximin, voafidy tany Sainte Marie. Omena anao am-panajana ny fitenenana, Andriamatoa Solombavambahoaka.

Page 14: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · ny ady atao amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona ; 3. ... amin’ny zaa vilana eo amin’ny sehatin’ny fampianaana sy ny

12

Andriamatoa TSIVOULANGNE Maximin Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana. Miarahaba antsika rehetra ; Miarahaba an’Andriamatoa Minisitra sy ny mpiara-miasa aminao. Mazava ny soridalan-kiasana amin’ity volavolan-dalàna izay natolotrareo ity fa mikasika ny « Politique Nationale de l’Emploi et de la Formation Professionnelle ». Tena ankasitrahana ary aza matahotra ianao fa ho lany ity. Ny zavatra tsapanay tamin’ny tatitra nataon’ny Mpampakateny teo dia miiba dia miiba, hoy izy, ny fampianarana ara-teknika. Midika izany fa mety tsy mazoto ny Raiamandreny sy ny ankizy, mety avy amin’ny politika teo aloha koa no nahatonga azy ho miiba. Ny tiako ho lazaina, tsy mahasahana any amin’ny toerana tena mila azy ny « centre de formation technique » fa lasa mivangongo amin’ny toerana manana ny ampy. Tokony hanaraka tsara ny « politique de la décentralisation » araka ny nolazainao teo izay zavatra izay. Raisiko ohatra ao Sainte Marie: tsy misy « centre de formation » na iray aza any na miankina io na ny tsy miankina. Taloha tany mba nisy ihany. Izahay tsy mangataka hoe asio « polytechnique »; tsy izay fa izay antoniny anay. Hoy izahay, Andriamatoa Minisitra, hoe mba hahatonga azy tsy miiba, misonga no filaza azy na miakatra; aparitaho amin’ny toerana mila azy izany. Tadidiko tamin’ny Minisitra teo alohanao, efa nisy fanorenana trano hanaovana “centre de formation” kanefa nolazaina fa kely loatra ny vola, hatramin’izao tsy hita popoka intsony. Raha mbola ao io vola io, mangataka izahay ny hijerena azy satria ilainay izany. Araka ny nolazainao teo, mikasika ny fizahan-tany; na « formation » mikasika ny « pâtisserie » izay farany tsotra no ilainay fa tsy mitarika famoronana asa ho anay na maro aza ireo mpandraharaha ara-pizahan-tany tonga any an-toerana satria tsy manome asa ho an’ny olona; lasa mitovy amin’ny « DYNATEC » amin’izao fotoana izao: « importé » ny olona miasa ao aminy. Ilainay ny fisian’izay “centre” izay, Andriamatoa Minisitra, satria ao ny fizahan-tany. Izahay rahateo nosy kely voahodidin’ny ranomasina. Ny jono mbola hojerena amin’ny manaraka. Ilaina ny fanaparitahana izay “centre” izay, Andriamatoa Minisitra. Misaotra Tompoko. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka. Mandray fitenenana manaraka ny Solombavambahoaka ZAFIMAHATRATRA Abel, voafidy tany Manakara. Andriamatoa RAZAFIMAHATRATRA Abel Misaotra Andriamatoa Filoha, nanome fitenenana. Miarahaba an’Andriamatoa Minisitra sy ny mpiara-miasa aminao rehetra tonga soa eto amin’ny Antenimierampirenena.

Page 15: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · ny ady atao amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona ; 3. ... amin’ny zaa vilana eo amin’ny sehatin’ny fampianaana sy ny

13

Raha ny marina, Andriamatoa Filoha, efa resy lahatra tanteraka ny Solombavambahoaka. Ny antony, tsy mbola nahita tatitra sahala amin’izao, tsy nasiam-panitsiana hatramin’izay niarahana tato. Midika izany fa tena voarindra tsara ny andraikitra notanterahana. Zava-dehibe loatra mantsy, Andriamatoa Minisitra, ny fitiavana tanindrazana ao anatinao raha mijery an’izao zavatra narafitrao izao. Lehibe loatra ho an’ny Firenena satria kitro ifaharan’ity Madagasikara ity ny zavatra ataonao. Midera anao aho, Andriamatoa Minisitra. Enga anie ka ho tanteraka soa aman-tsara ity zavatra ity. Holaninay ity, fa misy tolo-kevitra dia ny fanaraha-maso, indrindra hampahaingana ny « promulgation » any amin’ny Governemanta; ny « décret d’application », ny “suivi et évaluation” aorian’izay satria manjary kabary ambony latabatra fotsiny raha ny programan’asa mirefodrefotra anefa tsy misy fanaraha-maso. Hanampy anao izahay amin’ny fotoana manaraka amin’ny fikarakarana ny « budget » amin’ny taona 2017 raha sitrapon’ny Tompo, mba ahafahana mampitombo ny ho enti-manana satria na inona na inona programa, raha kely ny vola hoenti-manana, tsy hotontosa izany. Isaorana koa ny Minisitera satria mandeha ho azy ity zavatra ity raha tsy misy mpamatsy vola resy lahatra hanampy azy. Efa zava-dehibe izay satria ny fahitana mpamatsy vola amin’ny zavatra toy izao no tena mampandeha ny Minisitera. Izany hoe tsy miandradra « recette publique » loatra raha mahita mpamatsy vola. Ny « partenaire » avy any ivelany no tiana ho lazaina. Ny tolo-kevitra avy atz aminay, Andriamatoa Filoha, lehibe loatra ho anay avy any Manakara ity satria misy fampitoviana lenta. Ny fanambakana ity Madagasikara ity rehefa tonga ny fotoam-pifidianana, itondrana mpihira malaza avy eo mahazo vato betsaka ny Filohampirenena sy ny manodidina azy hatramin’izay. Rehefa tonga ny fampandrosoana, hadino ny any ambany ravinahitra any. Mampalahelo sady mampitomany satria i Madagasikara iombonana. Iraisana i Madagasikara satria foin’Andriamanitra ho nosy isika ka tsy tokony havahana na avy any atsimo na avy any andrefana na avy any atsinanana na avy any avaratra; tokony ho iray satria foin’Andriamanitra ho nosy isika. Mampalahelo raha misy fampandrosoana tsy mitovy ho an’ny faritra ambany ravinahitra fa ny atz andrenivohitra ihany no ampandrosoina. Samy tsara ihany ny fampandrosoana na eto andrenivohitra na any ambanivohitra satria Madagasikara iraisana no tanjona. Araka ny tenin’ny namana teo, Andriamatoa Minisitra, izay no antony mahatonga anay maromaro vitsivitsy toy izao. Raha omaly, mety vitsy izahay satria namita iraka tany ivelany ny sasany, tsy teto an-toerana ny sasany; naheno ny antso izahay, Andriamatoa Minisitra, ka tonga nanome voninahitra anao. Nolazaina hoe tongava maro, efa maro izahay izao, ho lany ity. Mirary koa raha mirary ary raha mihita ny ekipa ao an-damosinao ireo aho, tokony hatao Minisiteran’ny « cerveau » ity Minisiteranao ity satria samy nahavita fianarana ambony daholo raha mijery azy ireo. Hoy aho hoe: mirary koa raha mirary ho anareo ao amin’ny Minisitera hahatontosa soa aman-tsara ity andraikitra goavana horaisinareo ho an’ny Firenena ity ary hitondra fampandrosoana ho an’i Madagasikara iombonana. Misaotra, Andriamatoa Filoha.

Page 16: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · ny ady atao amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona ; 3. ... amin’ny zaa vilana eo amin’ny sehatin’ny fampianaana sy ny

14

Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka, tamin’ny fandraisanao fitenenana. Mandray fitenenana manaraka ny Solombavambahoaka RAHANTASOA Lydia Aimée Vololona. Omena anao am-panajana ny fitenenana, Ramatoa Solombavambahoaka. Ramatoa RAHANTASOA Lydia Aimée Vololona Misaotra, Andriamatoa Filoha. Anterina ny fiarahabana, Andriamatoa Minisitra, ho anao sy ireo mpiara-miasa aminao tonga etoana. Efa betsaka ny fifanazavana nataontsika, Andriamatoa Filoha, tamin’ny Zoma teo, adin’ny telo mahery isika no nijanona teto, hatramin’ny 6 ora, hariva, raha tsy diso aho. Tsy hipasoka ny efa malama intsony aho fa ny tiana hotsindrina ho an’ireto namako; ao anatin’iny boky nozaraina tamintsika tao ivelany iny, misy sonia mihitsy. Efa misy ny « accord » nataon’Andriamatoa Minisitra sy ny mpiara-miasa aminy tamin’ireo « partenaires sociaux » ireo. Midika izany, Andriamatoa Minisitra fa matoa misy sonia, efa tapakevitra araka ny nolazain’ny namako teo hoe: ny famoahana ny « décret d’application » satria maika izahay amin’ny hahazoan’ny zanakay asa. Hitantsika ihany fa saika mitodika ho antsika tambanivohitra ity; saika mitodika amin’ny tanora any ambanivohitra ity volavolan-dalàna atolotra ity. Izany hoe ho an’ireo zanantsika 60%. Izay indrindra no andraisako fitenenana, efa nitabataba mihitsy aho nitaona anareo namako mba hifidy amin’ity volavolan-dalàna ity satria efa niketriketrika nandritra ny adiny telo izahay. Mino aho fa holanintsika 100% ity volavoln-dalàna ity. Andriamatoa Minisitra, na izany aza, ny ahiahy tsy ihavanana. Efa niteny taminao aho tamin’ny Zoma hoe: ny fampitaovana ny sekoly efa nisy ihany. Any aminay mantsy misy sekoly maromaro, any ambanivohitr’i Manjakandriana any misy sekoly teknika; miteny ihany aho fa izaho rehefa nampiakateny mba nilaza ny fampitaovana ny sekoly ihany. Noresahanay teo ny « partenariat public privé ». Azo ampiharina angamba izay mba ahafahana manaparitaka ny lafiny teknika any amin’ny sekoly mila azy. Ny tena amafisiko, Andriamatoa Minisitra: na mahay aza ireo zanakay ireo na hanao “pâtisserie” aza ireo na mahavita izay zavatra tiany hatao aza, raha tsy misy ny fampitaovana; ny « fonds de formation » izany. Efa hita ato anatin’ity izany fa ny « fonds d’insertion », Andriamatoa Minisitra, mba iarahantsika mikaroka satria na mahay aza ireo zaza ireo, rehefa tsy misy fitaovana, rehefa tsy misy « fonds de roulement », lasa miraviravy tànana ihany ny zanatsika, Tompoko. Mitaona antsika rehetra aho mba handany an’ity volavolan-dalàna ity. Mino aho fa tsy maintsy ho lany ity, Andriamatoa Minisitra. Mankasitraka, Andriamatoa Filoha. Misaotra anareo mihaino ahy.

Page 17: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · ny ady atao amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona ; 3. ... amin’ny zaa vilana eo amin’ny sehatin’ny fampianaana sy ny

15

Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Ramatoa Solombavambahoaka, tamin’ny fandraisam-pitenenana. Mandray fitenenana manaraka, ny Solombavambahoaka ANDRIAMITANTSOA RAMASINDRAIBE Benjamin. Omena anao am-panajana ny fitenenana, Andriamatoa Solombavambahoaka. Andriamatoa ANDRIAMITANTSOA RAMASINDRAIBE Benjamin Misaotra, Andriamatoa Filoha. Mamerina ny fiarahabana anao manokana ary fampaherezana anao satria akanga sisa nanamborana ianao sisa eny ambonimbony eny. Mahereza Andriamatoa Filoha. Faly miarahaba anao, Andriamatoa Minisitra sy ireo miaraka aminao. Nisy niteny teo hoe : ireo aorianao ireo, olona manam-pahaizana daholo. Izaho kosa hanampy hoe raha mijery ny eo anilanao aho, fantatro fa olona manam-pahaizana koa izy. Manaraka, Andriamatoa Filoha : ny lalàna izay atao dia lalàna entina hifanandrify amin’ny vinam-pirenena momba ny fampandrosoana. Raha mijery an’ity volavolan-dalàna iray ity aho, inona no tena fampandrosoana; tsy ny fanomezana asa ny vahoaka ao anaty Firenena ve ? Rehefa mijery ny « Politique Nationale de l’Emploi et de la Formation Professionnelle », izay no filaza azy; hoy aho hoe tafiditra tsara ao anatin’izay zavatra izay ny « formation professionnelle » sy ny « emploi ». Izaho aza, Andriamatoa Minisitra, saika hanampy hoe « formation professionnelle et professionnalisante » satria ny « formation » no hanomezana asa tena mivantana ny olona. Amiko, ny fiarahabana no atao ary tsy atolotolotra fotsiny izany, Andriamatoa Filoha, fa isika anie ka tena mitady fampandrosoana ary fanomezana asa ny vahoaka izany, indrindra ny tanora. Noho izany, ao anatiny tsara ity « Politique Nationale » ity. Betsaka ny « Politique Nationale » nojerentsika fa karazana « avant première » ity. Ny tenanay koa mba efa nahita firenena hafa fa ny « Politique Nationale » tahaka itony dia natao hanalana ny fanamby rehetra amin’izany fampandrosoana izany. Mba hosoritako eto ny mahazava-dehibe izany fanomezana asa izany. Tsy ny asa eto an-toerana ihany fa ny any ivelany koa. Saika hanontany aho: amin’ireny dinika ifanaovanareo ireny, Andriamatoa Minisitra, aiza ho aiza ny « reconnaissance internationale des diplômes ou certificats » apetraka amin’ireny « centre de formation personnelle et professionnalisante » ireny ? Faharoa manarak’izay, ahoana ny « articulation » na ny fiarahana manatanteraka amin’ny fiaraha-miasa amin’ireny « université » mifandray amintsika ireny. Niresaka « développement rural » ianao teo ; tsy hiteny ny « tourisme » sy ny « hôtellerie » intsony aho satria nazava tsara ny momba an’izay, ny « bâtiment », ny « technologie de l’information et de la communication », ny « textile » fa ity « développement rural » ity, mety hisy fampidirana any amin’ireo « hautes écoles » sy « université » ireo ; mba tsy hisian’ny tsy

Page 18: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · ny ady atao amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona ; 3. ... amin’ny zaa vilana eo amin’ny sehatin’ny fampianaana sy ny

16

fitoviam-pijery. Aiza ho aiza, voasoritra ato ve izay fa izaho aloha mankasitraka ity volavolan-dalàna ity. Efa tonga eto izy ity koa mankasitraka, Andriamatoa Minisitra. Inona no hahatonga azy hitondra vokatsoa ho antsika rehetra. Izay ihany no teniko ka inoako fa tsy hisy volo manoha randrana izahay ary raha jerena, tsy misy fotoana maro ihaonana ohatran’izao. Misaotra, Andriamatoa Filoha. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka, tamin’ny fandraisam-pitenenana. Omena fitenenana ny Solombavambahoaka DINAH Romuald. Omena anao am-panajana ny fitenenana, Andriamatoa Solombavambahoaka. Andriamatoa DINAH Romuald Misaotra, Andriamatoa Filoha. Miarahaba an’Andriamatoa Minisitra sy ny teknisiana miara-dia aminao. Efa ela no nahafantarantsika fa misy olana amin’ny tsy fisian’asa i Madagasikara. Izany tsy fisian’asa izany anefa miteraka loza ho an’ny firenena satria raha tsy an’asa ny olona iray, manampy tosika ny tsy fandriampahalemana ao amin’ny firenena iray. Izay no olana mipetraka eto amintsika. Ity Minisitera iadidian’Andriamatoa Minisitra ity moa taty aoriana vao nahazo fahaleovantena. Nikambana tamin’ny Minisiteran’ny Fampianarana ankapobeny izany taloha. Midika izay fa tany aloha, ohatran’ny notsinontsiniavina ny fampianarana teknika sy fanofanana arak’asa, amin’izao rehefa nomena fahaleovantena io Minisitera io; tsy mbola nisy Minisitra ohatran’izao nandinika, nanatevina hoe inona no tokony hatao manoloana ity Minisitera iadidiako ity. Mandray an-tànan-droa anao izahay, Andriamatoa Minisitra, mendrika izany toerana ho Minisitry ny fampianarana sy ny fanofanana arak’asa izany ianao. Ny famahana olana amin’ny tsy fisian’ny asa no hatao. Raha maro no manana asa hidina ny tsy fandriampahalemana ao amin’ny firenena iray. Koa miangavy antsika Solombavambahoaka aho tsy hihafahafa fa handany azy 100%. Misaotra antsika rehetra. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka. Omena fitenenana manaraka ny Solombavambahoaka laharana faha-110, voafidy tany Ambatoboeny.

Page 19: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · ny ady atao amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona ; 3. ... amin’ny zaa vilana eo amin’ny sehatin’ny fampianaana sy ny

17

Ramatoa RASOAHERINJATOVO Bodovoangy Dimitrine Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana. Manantitra ny fiarahabana an’Andriamatoa Minisitra sy ianareo teknisiana miaraka aminy. Velom-bolo tokoa izahay, Andriamatoa Minisitra, raha mahita izao fandaharan’asa napetrakao izao. Mendrika sy rariny tokoa raha holaniana ny volavolan-dalàna izay angatahanareo fankatoavana ato amin’ny Antenimierampirenena. Ny tenako izao dia mijoro vavolombelona amin’ny zava-bitan’ny Minisiteran’ny Asa sy ny Fanofanana arak’asa satria any amin’ny Distrika faran’ny ambanivohitra no misy anay anefa tsy nahatazona ny teknisiana tao aminareo nandeha nanome fiofanana tany; anisan’ny nahazo izany ireo olona sembana. Amin’izao fotoana izao, nahita tombotsoa tamin’izany tokoa ry zareo satria ireo sembana ireo izao no “service traiteur” any amin’ny faritra misy anay. Mahazo mahatoky ianao, Andriamatoa Minisitra, fa vonona handany ity volavolan-dalàna ity izahay. Misaotra Tompoko. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Ramatoa solombavambahoaka tamin’ny anjara fitenenanao. Omena fitenenana ny Solombavambahoaka, RANDRIANANTENAINA José. Omena anao am-panajana ny fitenenana, Andriamatoa Solombavambahoaka. Andriamatoa RANDRIANANTENAINA Olivier Antonny José Mankasitraka Andriamatoa Filoha. Andriamatoa Filoha sy ianareo Mpikambana ao amin’ny Birao Maharitra. Andriamatoa Minisitra sy ny mpiara-miasa rehetra. Ianareo namana Solombambavambahoaka. Tompokolahy sy Tompokovavy. Amin’ny maha Filohan’ny Vaomieran’ny Fampananan’asa sy ny Asa Teknika ary ny asa tena; raisiko ho zava-dehibe tokoa ity fivoriana androany ary isaorako sy ankasitrahako feno ny namako Solombavambahoaka rehetra izay tonga eto. Tsy misy madilana ho tentenina na makarakara hososohana, fa mazava tahaka ny tafika andrefan-tanàna. Matoa ny Solombavambahoaka mavitrika tamin’ny fandraisana fitenenana eto; ity no efa nandrasana nahamanina ary nofinofisina mba ho vanona satria nangetaheta an’ity tokoa ny Solombavambahoaka maro, Andriamatoa Filoha. Koa ambarako eto fa nisy adihevitra goavana tao anatin’ny Vaomiera ary naharitra adin’ny telo izany. Andriamatoa Filoha, anisan’ny Vaomiera tena navitrika tokoa satria tsy niandry 30 minitra fiatoana izahay fa tratra ny antsasa-manila tamin’ny fandaniana ny volavolan-dalàna.

Page 20: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · ny ady atao amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona ; 3. ... amin’ny zaa vilana eo amin’ny sehatin’ny fampianaana sy ny

18

Voalaza teo fa misy ny vinan’asa ho an’i Madagasikara mandroso sy maodely izay tarihin’ny Filohampirenena koa ity volavolan-dalàna ity. Heverinay, Andriamatoa Filoha, fa anisan’ny mampandroso firenena maro tokoa izy ity, indrindra fa ny firenena izay miteny Anglisy satria ny azy izay efa manana asa, ampianarina hatrany ary hatsaraina izany fananana asa izany. Eto amintsika kosa iaraha-mahalala fa maro dia maro no manana haizatra sy ny traikefa ary manana toerana ambony eny anivon’ireny sampan’asa ireny; tena mifanandrify amin’ny hetahetan’ny Solombavambahoaka sy ny vahoaka Malagasy tokoa izany fanomezana taratasy na “certificat” ho an’ny olona izany. Noho izany, heverina fa manana ny maha izy azy eto amin’ny firenena izany. Andriamatoa Filoha, ho faranako sahady ny fitenenana. Any Antsirabe misy fitenenana manao hoe: ny anaran-tanàna no mandany resaka, fa ny resaka atao raha tsy ho lany; oraka an-tanàna fantarina amin’ny volony, Andriamatoa Filoha, ny orak’avandra ahafantarana ny feony ary ny Solombavambahoaka tonga mavitrika izao dia handany ity volavolan-dalàna ity. Koa manentana antsika rehetra handany izany volavolan-dalàna izany. Misaotra Tompokolahy. Mankasitraka Tompokovavy. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka, tamin’ny anjara fitenenana noraisinao. Omentsika fitenenana indray ny Solombavambahoaka RAZANAMAHASOA Christine, voafidy tany Ambatofinandrahana. Ramatoa RAZANAMAHASOA Christine Harijaona Misoatra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana. Miarahaba anao, Andriamatoa Filoha. Miarahaba ny Birao Maharitra. Miarahaba sy misaotra an-dRamatoa Mpampakateny, izay nanao ny tatitra teo satria nazava tokoa izany. Miarahaba anao sy ny mpiara-dia aminao, Andriamatoa Minisitra. Misy antony manokana iarahabako azy. Tsy izany fa azavaina ihany satria “corps” iray izahay amin’ny maha mpiasam-panjakana anay raha izay no tianareo ho fantatra, Tompoko. Tsy ho lava resaka intsony satria miombon-kevitra amin’ny Solombavambahoaka rehetra izay niteny teo aho ary ny volavolan-dalàna sahala amin’izao no mendrika holaniana 100%. Ny antony, hatramin’ny lalàna maro izay nandalo teto, ity mikasika ny « Politique Nationale de l’Emploi et de la Formation Professionnelle » ity no tena hita fa antoky ny fandriampahalemana. Ny tsy fisian’ny asa sy ny tsy fahaizana asa no mahatonga ny tsy fandriampahalemana. Izany anefa no antoky ny fampandrosoana. Noho izany, miarahaba anareo satria tena niady mihitsy ianareo mba ho an’ny fandriampahalemana. Manohana tanteraka an’izany izahay, indrindra koa tsy misy hadinonareo ny rafitra izay napetrakareo, toy ny “structure paritaire” ahafahan’ny rehetra

Page 21: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · ny ady atao amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona ; 3. ... amin’ny zaa vilana eo amin’ny sehatin’ny fampianaana sy ny

19

mandray anjara. Ny Solombavambahoaka tsy hitomany ho ao fa efa nomen’ny Lalàmpanorenana andraikitra hanara-maso ny fampiharana azy. Mino izahay fa ny fahaizanareo sy ny traikefanareo dia ho ara-dalàna sy ho ara-potoana ny tatitra hataonareo mikasika ny fampiasanareo izay rehetra azonareo satria mazoto daholo ny “partenaire financier” sy “sociaux” hanampy anareo. Misy antony lehibe izany, Andriamatoa Minisitra, satria ny fahatokisana anareo ao amin’ny “Enseignement Technique” dia miorina sy mitoetra tsara. Isaorana anareo manokana tamin’ny nanome “valeur” ny vahoaka Malagasy. Voalazanareo ao amin’ny “exposé des motifs”, Andriamatoa Minisitra, fa ny vola taratasy, ny tanimbary fotaka, ny omby hena, fa ny olona no olona. Izay no fomba fiteny Betsileo; ny olona, ny vahoaka no notsimbininareo. Misaotra anareo, ho soa fonenana aminay ianareo. Ny anay izay mijery ny vahoaka ihany no ankasitrahanay. Ity mba misy fanontaniana apetrako; asa mety hamaly ianareo hoe aiza no ametrahana azy satria hiteny an’Ambatofinandrahana aho. Mamelà ahy satria Solombavambahoakan’Ambatofinandrahana aho. Misaotra, Andriamatoa Minisitra, fa nahazo “lycée technique” izahay, efa hisokatra. Be vato anefa any aminay; na vato inona na vato inona, hita any daholo. Aiza no ametrahana ny “formation technique minière” satria maromaro “formation” napetrakareo ato, toy ny “hôtellerie, bâtiment” sns... Izay no anontanianay ny resaka vato. Farany izay hitako fa lehibe; isika Solombavambahoaka nomena “document” matevina. “Document” amin’ny “loi de finances initiale” izany. Hojerenay ato izay ary raha mahita isika, misy “document de performance” ho an’ny Minisitera. Hitanay ao izany ary namaky izahay fa tsy misy tahaka ny Minisitry ny Fampianarana Teknika, Tompoko, ny “performance” ao. Ny anao no “note” farany betsaka. Ka hoy aho: raha nojerena ny Minisitera rehetra, tsy misy ohatra anao; hanome “note” anao Solombavambahoaka, indrindra aho; mahazo “note” ambony indrindra ianao, Andriamatoa Minisitra. Izay no azo atao, fa mpandany ny volavolan-dalàna izahay, Tompoko. Laninay 100%, fa izay manohariana no tsy handany azy ity, atao ho mpanohariana amin’ny fampandrosoana ny firenena. Misaotra Tompokolahy. Misaotra Tompokovavy. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Ramatoa Solombavambahoaka, tamin’ny fandraisam-pitenenana. Omena fitenenana indray ny Solombavambahoaka, voafidy tany Mahanoro. Ramatoa NAHARIMAMY Lucie Irmah Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana. Mbola mamerina ny fiarahabana ho an’Andriamatoa Filoha sy ny Solombavambahoaka rehetra; indrindra fa ny Minisitra sy ny mpiara-dia aminy. Ho ahy indray, manamafy ny toraka voninkazo nomen’ny namana marobe teo toy ny nambaran’ny zoky Christine hoe: tsy volo manoha randrana fa resaka fampandrosoana. Izay

Page 22: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · ny ady atao amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona ; 3. ... amin’ny zaa vilana eo amin’ny sehatin’ny fampianaana sy ny

20

no ijoroanay Solombavambahoaka ho fitsinjovana ny vahoaka. Manoloana izany, Andriamatoa Minisitra; nisy fampanantenana nanomboka tamin’ny andron’Andriamatoa Minisitra NDREMANJARY Jean André, avy eo nodimbiasan’Andriamatoa Minisitra HORACE, amin’izao ianao; isika mifankafantatra ka mitodika manokana aminao satria nisy fanomezana “lycée technique”. Misy toerana any, nasaina nitady tany izahay ka manantena mafy ny vahoakan’i Mahanoro, maro mpanakanto ny vahoaka any, mandrary; misy ny rehetra mihitsy. Fony ianao mbola Minisitry ny Fizahan-tany, efa niresaka taminao momba ny “canal de Pangalane” aho tamin’ny andron’ny Tetezamita. Andriamatoa Minisitra, mangataka an-tànan-droa sy mampahatsiahy ny fampanantenana izay efa nomen’ireo Minisitra teo aloha ireo mba hanomezana “lycée technique” ho an’ny Distrika misy anay. Mankasitraka Tompoko. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Ramatoa Solombavambahoaka, tamin’ny fandraisam-pitenenana. Mamarana ny fandraisam-pitenenana ny Solombavambahoaka RANDRIAMAHEFA Henri Charles, voafidy tao Moramanga. Omena anao ny fitenenana, Andriamatoa Solombavambahoaka. Andriamatoa RANDRIAMAHEFA Henri Charles Misaotra, Andriamatoa Filoha. Miarahaba anao sy ireo ekipanao, Andriamatoa Minisitra. Andriamatoa Minisitra, « professeur de l’université » ianao ary ny « Staff »-nao koa tonga daholo. Raha jerena tokoa ny volavolan-dalàna, tena mampilendalenda mihitsy. Araka ny fitenenana hoe: raha amponga dia fively, raha tantely dia filelaka. Ny tena hitako hoe zava-dehibe ato dia ny “accord nationale sur l’emploi et de la formation professionnelle”. Ao anatin’ireo, misy singaniko manokana dia ny “ressource stratégique” izany. Izahay tao Moramanga efa nangataka « formation professionnelle » na BTS ho an’ny « lycée ». Efa azo izany ary miompana amin’Ambatovy, amin’ny resaka “mines”. Ity no olana, Andriamatoa Minisitra: rehefa azo io “lycée” manofana ho amin’ny BTS io, lasa “gestion” indray; misy “BAE en gestion”, misy “BAC en gestion”. Manjary “gestion” kanefa any amin’ny “université de Tamatave” efa misy “formation en gestion”; any Ambatondrazaka koa misy “gestion”. Ny dikan’izay, tsy tonga amin’ny tanjona. Amin’ny maha “professeur de l’université” anao, afaka miresaka tsara amin-dry zareo ao Vontovorona ianareo satria misy manao koa any Antsirabe ary efa nanaiky ny “professeur” ny hampisy azy. Isika manao “adéquation formation/employ” ary tsara firafitra mihitsy ity volavolan-dalàna ity ka holanianay rehefa avy eo. Aminay, misy manao “formation pour la création de chef d’emploi”. Tokony hisy koa ny “formation du chef d’entreprise”. Izany hoe, olona efa manana orinasa kely no ofanina; amin’izay sady mitombo ny asa.

Page 23: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · ny ady atao amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona ; 3. ... amin’ny zaa vilana eo amin’ny sehatin’ny fampianaana sy ny

21

Manarak’izay, i Moramanga no nahazo voalohany tamin’ny “bac” tamin’ny faritanin’i Toamasina. Nesorina ny “proviseur” noho ny fahaizany; tsy maintsy fantatrao izany zavatra izany satria misy olona mpandoto rano any an-toerana. Misy olona iray izay manimba ny “dossier” rehetra. Rehefa natsahatra tao io olona io, nanao nahitahita tany ambony tany ka tafaverina ary ny “proviseur” indray no nesorina. Tsy manaiky an’izany izahay ao Moramanga. Mahay ianao sy ny “staff” miaraka aminao saingy misy mpandoto rano manimba ny zavatra tokony hatao. Misaotra anao, Andriamatoa Minisitra, fa holanianay ity volavolan-dalàna ity. Misaotra Tompoko. Misaotra, Andriamatoa Filoha. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka, tamin’ny fandraisam-pitenenana. Omentsika fitenenana am-panajana, Andriamatoa Minisitra, hamaly ny fanontaniana sy ny soso-kevitra avy any amintsika Solombavambahoaka. Omena anao ny fitenenana, Andriamatoa Minisitra. Andriamatoa RAMANANTSOA Ramarcel Benjamina, Minisitry ny Asa, ny Fampianarana Teknika ary ny Fanofanana arak’asa Misaotra anao, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana. Andriamatoa Filohan’ny Antenimierampirenena sy ianareo Birao Maharitra; Ianareo namana Solombavambahoaka. Ny voalohan-teny dia fanolorana fankasitrahana sy fisaorana amin’ny fahavononanareo handany ny volavolan-dalàna soridalana hitondrana ny politikam-pirenena momba ny fampisahanana ny asa sy ny fanofanana arak’asa. Misaotra tamin’ireo teny fampaherezana maro izay ataonareo ho anay sy ny ekipa miaraka amiko amin’ny fitantanana ny Minisitera. Misaotra koa tamin’ny fanontaniana sy fanamarihana nentinareo. Ho an’ireo nametraka fanontaniana mikasika ny fangatahana “centre de formation professionnelle” na “lycée technique professionnelle” ; tonga dia valiako mitambatra izay resaka izay. Araka ny voalaza teo, manomboka amin’ity taona 2015 ity ka hatramin’ny taona 2019 no hanatanterahana ity politikam-pirenena ity. Ny tanjona ao anatin’izay, ny hisian’ny « centre de formation professionnelle » sy « lycée technique professionnelle » isaky ny Distrika. Izany hoe, ho voatsinjo ao daholo izany ny Distrika rehetra manerana an’i Madagasikara. Amin’ny lafiny fandaharam-pianarana amin’ireny toeram-piofanana sy toeram-pampianarana ireny indray, tokony ho hita mazava tsara, araka ny voalaza hatrany amboalohany hoe misy « secteur » dimy homena laharam-pahamehana. Hokajiana isaky ny Faritra ny hametrahana ny fampiroboroboana izany « secteur » dimy izany; ao koa ny

Page 24: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · ny ady atao amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona ; 3. ... amin’ny zaa vilana eo amin’ny sehatin’ny fampianaana sy ny

22

hanofanana sy hametrahana ny « référentielle de métier/de formation » sy ny « curriculum » apetraka any amin’ireny toeram-pianarana ireny. Ny dikan’izay, tsy hitovy amin’ny “lycée technique professionnelle” iray, ohatra any Marovoay ny zavatra mety hita any Maevatanana na hita any Arivonimamo. Mety tsy hitovy fa hifototra mihitsy amin’ny teti-pampandrosoana mipetraka ao amin’ny Faritra no handaminana ny “référentielle de formation” hipetraka ao amin’ny toeram-pampianarana sy ny toeram-pihofanana. Ny lafin-javatra faharoa, araka ny voalaza teo hoe lafo ny “enseignement technique” sy ny “formation professionnelle”. Raha tsorina amintsika, ny kajikajy nataon’ny manam-pahaizana avy any ivelany raha manao « référentielle de formation » sy « curriculum » iray fotsiny, ny sehatra iray, mety eo amin’ny « 20 000 Euros » eo no vidiny. Lafo izany. Ankoatr’izay, mikasika ny fampitaovana : iarahantsika mahafantatra koa fa lafo izany. Izay no antony nanaovana tetika sy paika hoe iarahana amin’ny “entreprise” mihitsy ny fanatanterahana sy fitantanana ary ny famatsiam-bola; amin’izay fotoana izay, azo atao tsara ny mampiditra mpianatra manao “pratique” ao aminy “entreprise”. Azo atao koa ny manao tetika mikasika ny “apprentissage” izay hataony ho an’ny mpiasany ao anatin’ny toeram-pianarana. Ankoatr’izay, ny fanofanana ireo mpampianatra hisahana ny fampianarana, misy lafiny roa izay. Ny lafiny iray : manana ireo toeram-pihofanana isika, sahala amin’ny “école normale nationale de l’enseignement technique” ohatra. Hisy koa fandraisana ireo mpiasa “cadre” any anivon’ny toeram-piasana izay afaka hitondra ny anjara birikiny amin’ny fanofanana ny tanora Malagasy. Endrika iray izay. Mazava ho azy fa mifampiankina amin’ny fitsinjaram-pahefana na amin’ny “décentralisation” izany. Ao anatin’izay, ny zavatra hita amin’izao fotoana izao, anisan’ny miantoka fahombiazana ny fananan’ny Faritra fifandraisana amin’ny toerana hafa any ivelany. Resaka “relation, coopération décentralisée”. Raha mijery, misy toeram-pianarana amin’ny Faritra maromaro izay manana fifandraisana betsaka amin’ny toeram-pianarana any ivelany vokatr’izay “coopération décentralisée” izay. Nahavita nanavao fitaovana na “équipement” mihitsy nentina nampianatra tamin’ireny toerana ireny. Araka ny notenenina teo, hisy fananganana “financement de la formation professionnelle” ; hisy “cotisation” ataon’ireo toeram-piasana na ireo “salariés” amin’ireny toeram-piasana ireny hiantoka ny fanofanana azy amin’ny “apprentissage tout au long de la vie”, hiantoka koa ny fampandehanana ny “formation professionnelle” eto amin’ny firenentsika. Izany “engagement” izany, mbola eo andalana amin’ny fanaovana “négociation” amin’ireo “groupement des entreprises”. Amin’izao fotoana izao, efa nanaiky ny “principe” ry zareo fa mbola misy pitsopitsony tsy maintsy ifanarahana satria manova zavatra betsaka eto amintsika ny fisian’ny ampahany entin’ny “entreprises” amin’ny “financement de la formation professionnelle”. Raha miresaka ny “fonds d’insertion” nolazain-dRamatoa Mpitantsoratra teo: efa noresahantsika nandritra ny “commission” iny; hiditra amin’ny fanaovana “étude” mikasika ny fametrahana an’iny “fonds pour le financement de la formation professionnelle” iny. Efa voalamina ny « étude » momba izany satria vita sonia niaraka tamin’ny “Agence Française de Développement” ny fanaovana azy. Hampidirina ao anatin’ny “études” ireny zavatra ireny, tokony hojerena koa ny “fonds d’insertion”. Ny zava-misy, iarahana miasa amin’ny Minisiteran’ny Fambolena ny fanaovana ny programanan’asa mikasika ireo “jeunes riraux

Page 25: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · ny ady atao amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona ; 3. ... amin’ny zaa vilana eo amin’ny sehatin’ny fampianaana sy ny

23

descolarisés” ireo. Misy Faritra vitsivitsy satria tany amboalohany, Faritra 3 no nanaovana azy : Faritra Atsinanana, Boeny ary Amoron’i Mania. Rehefa natao ny programa nandritra ny efa-bolana; nofanina ireo ankizy avy any ambanivohitra izay nitsoaka an-daharana tamin’ny rafi-panabeazana. Nofanina efa-bola izy ireny, naverina any aminy indray ary novatsiana mba ahafahany miainga amin’ny tetika hataony hampahomby ny zavatra ataony. Hita fa nandeha satria ny FIDA no namatsy ara-bola. Hita fa mandeha izany ary niarahana niasa tamin’ny UNESCO koa. Hisy tetikasa izay hosokafana mikasika ny fanaparitahana izay programan’asa izay amin’ny Faritra hafa eto Madagasikara. Ohatra, ny Faritra Atsimo Andrefana, hojerena koa ireo “jeunes urbains descolarisés”. Efa misy famatsiam-bola hita amin’izao hikarakarana izany satria mitsena an’izay koa ity politikam-pirenena ity amin’ny alalan’ny fanekena ny fanomezan-danja ny traikefa ananana. Nisy ohatra iray noraisintsika teo mikasika ny “mécanicien” eny amoron-dalana. Atz andrenivohitra, ny zavatra hita, vitany ny manavao “moteur”-n’ireny fiara ireny. Tokony hekena izany ny fananany izay fari-pahaizana izay, fa ahoana no hamadihana azy ho “certificat”. Izay koa mbola hapetraka amin’ny “cadre national de service de certification”. Izay no mitondra antsika mankany amin’ny resaka nataon’ny Solombavambahoaka ANDRIAMITANTSOA Benjamin teo : voaray ny mikasika ny « formation professionnelle et professionnalisante ». Izay anie no lalana handehanantsika amin’ity politikam-pirenena ity. Mikasika ny “reconnaissance internationale” amin’ny diplaoma avoakan’ireny toeram-piofanana ireny. Misy ny fifandraisana amin’ny ambaratonga ambony hoe ahoana no fandehan’izay. Ny zava-misy tokoa dia tsotra: tsy ho tafavoaka ity resaka ataontsika ity raha tsy taritina hiakatra ambony. Izany hoe “tiré vers le haut” any amin’ny rafitry ny fampianarana ambony. Any amin’ny fampianarana ambony, efa mametraka ny “système LMD”. Ny iray aloha, ny fampandehanana ny fampianarana amin’ny fisian’ny fifandraisana amin’ny “laboratoire”. Tsy maintsy miankina amin’ny “entreprise” ny fampandehanana an’izay; mitovy amin’ny “enseignement technique” izany, raha tohizana mankany amin’ny lafiny “enseignement supérieur” koa, ka tokony hanosika ny fampandehanana haingana ny fampivoarana ny rafitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa eto Madagasikara ity politikam-pirenena ity. Izay no mitarika mankany amin’ny “reconnaissance internationale”. Efa mpikambana ao amin’ny « Association pour le Développement d’Education en Afrique » isika ; mpiray antoka amin’ny fanatanterahana ny programa CAP-ETFP eo anivon’ny UNESCO koa. Ireny sehatra rehetra ireny no ahafahana mifampizara traikefa ary efa nentina tany amin’ny fivoriana nokarakarainy izany. Ity politikam-pirenentsika ity no anisan’ny noraisina ohatra iray ; rehefa natao ny « déclaration » ho an’ny Minisitra rehetra misahana ny « enseignement technique » sy ny « formation professionnelle », ampahany betsaka tao anatin’izay « déclaration » izay no noraisina avy tamin’ity politikam-pirenenan’i Madagasikara ity. Mampiseho amintsika izany fa efa mizotra mankany amin’izay lalana ahazoana « reconnaissance » izay isika. Ireny no hitarika azy ho any amin’ny diplaoma satria ao anatin’io « Association de Développement en Afrique » io, misy hatrany fivoriana isan-taona ahafahana mifampizara ary ifanosehana ny fisian’izay fiaraha-miasa izay ahafahana mahazo izany « reconnaissance » izany. Mikasika ny « développement rural » indray, lafin-javatra maro no ao anatiny araka ny voalaza teo, ao ny fambolena, ny « agribusness », ny jono, ny fiompiana. Izany rehetra izany tsy maintsy kajiana daholo satria ny zavatra fantatra, anisan’ny tena manome asa betsaka indrindra eto amin’ny firenentsika ny tontolo ambanivohitra saingy « secteur informel »

Page 26: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · ny ady atao amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona ; 3. ... amin’ny zaa vilana eo amin’ny sehatin’ny fampianaana sy ny

24

daholo no ankamaroany. Eo amin’ny 80%, anefa fantatra tsara fa ny tanora ohatra, any amin’ny fambolena, ny fahaizana norantoviny sy nampitain’ny Ray aman-dReniny, ny fianakaviany, hainy tsara iny rehefa avy eo, izay no manabe voho ny faritra iasany. Izay no mahatonga antsika mandeha amin’ny « valorisation des expériences ». Lalana roa no ho hita rehefa mandeha tsara ny fanatanterahana ity politikam-pirenena ity. Lalana roa ahafahana mitondra amin’ny fahazoana mari-pahaizana. Ny lalana voalohany, ny zavatra efa mahazatra: ny fananana maripahaizana CEPE, BEPEC na BAE na CAP sns. Ny lalana faharoa, ny fanomezana lenta ny traikefa ananana; rehefa avy eo, omena “certification”. Izay traikefa ananana izay no ahafahana mifaninana indray rehefa miakatra ka tafiditra ao amin’ny “secteur normal” amin’ny fanomezana “diplôme”; tsy maintsy mitohy izany. Misy ny “reconnaissance nationale” ahafahana misondrotra any amin’ny ambaratongam-pampianarana rehetra ary hisy koa ny “reconnaissance iternationale”. Raha ny “mines” izay noresahan’ny Solombavambahoaka avy any Ambatofinandrahana teo, mazava ho azy araka ny noteneniko teo fa mifampiankina amin’ny teti-pampandrosoana isam-paritra no ametrahana ny toeram-piofanana na ny toeram-pampianarana, indrindra ny zavatra entina ampianarina ao amin’ny toeram-piofanana. Miresaka “mines” isika, misy ny “petite mine”, misy ny “grande mine”. Efa mandeha ny fampiraharahana amin’ny “Canadien” mikasika ny hametrahana “centre de formation professionnelle” momba ny “ressource pétrolière” hahatonga antsika tsy hanao ny zavatra nitranga tao Ambatovy hoe voatery nanafatra mpiasa avy any ivelany miisa 3 000 mahery, toy ny mpanao “soudure” sy ny karazany kanefa betsaka no tsy manana asa eto Madagasikara. Rehefa handeha ny fitrandrahana “pétrole” na ny “gaz” eto amintsika, dieny izao efa manomboka miomana satria betsaka ihany koa ny asa haterak’izany. Hatramin’izay, misy ny “ressource stratégique”; rehefa miresaka an’izay isika, tsy resaka “pétrole” ihany, fa ao koa ny entona manga na “économie bleue”. Misy asa betsaka aterak’izany satria isika manana “5 000 km de côte”. Hisy asa lehibe aterak’ireny, efa misy mitrandraka azy amin’izao fotoana izao, fa ao anatin’ny teti-pampandrosoana momba ny “pôle de croissance”, misy ny fitrandrahana an’io “ressource de l’économie bleue” io. Mandeha ny fivoriana momba ny “COP 21” amin’izao fotoana izao, ao anatin’ny “ressource stratégique” napetraka koa ny “économie verte”. Ilana fanofanana ireny ary hisy an’izany any amin’ny toeram-pianarana, toeram-piofanana teknika sy ny fanofanana arak’asa. Valiny ho an’Andriamatoa RANDRIAMAHEFA Henri Charles avy ao Moramanga no hamaranako azy; mikasika an’Ambatovy. Resaka “mine” no napetraka tamin’ny voalohany fa lasa nivadika “gestion” indray. Mila ahitsy ny olana momba ny “technique professionnelle” satria tsy maintsy miteraka fanavaozana ny rafi-pampianarana ary ny votoatim-pampianarana tsy maintsy mandeha amin’ity fampiharana ny politikam-pirenena ity. Miankina amin’ny pedagozika sy didaktika na ny “compétence” ny zavatra hatao manomboka izao. Hisy fanamboarana momba ny rafi-pampianarana hatao.

Page 27: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · ny ady atao amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona ; 3. ... amin’ny zaa vilana eo amin’ny sehatin’ny fampianaana sy ny

25

Raha mikasika ny “proviseur” noresahinao teo momba an’i Moramanga: efa nisy fanapahan-kevitra efa noraisina ahafahana mandamina izay tarehin-javatra izay. Tsy tokony hiteraka olana intsony izay. Tahatahak’izay, Andriamatoa Filoha, ianareo mpikambana ao amin’ny Birao Maharitra; ianareo mpikambana ao amin’ny Vaomieran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa, tarihin’Andriamatoa Filohany; indrindra ianareo Solombavambahoakan’i Madagasikara tonga manatrika izao fivoriana izao. Mbola manantitra ihany ny fankasitrahana sy fisaorana anareo rehetra tamin’ny fandraisan’anjaranareo tamin’ny adihevitra natao. Mampanantena anareo fa tsy anjorom-bala ny Solombavambahoaka amin’ny fanatanterahana an’ity politikam-pirenena ity. Efa lazainay sahady, ny Solombavambahoaka ZAFIMAHATRATRA Abel moa tany Manakara, nahita an’izay, hamafisina eto ny fisaorana azy tamin’ny fanatrehany ny fotoana tany. Ny Minisitera dia handeha hitety ny Faritra 22 eto amintsika mba ahafahana manazava ity politikam-pirenena vaovao momba ny fampisahanana asa sy ny fanofanana arak’asa ity. Anasana sahady anareo Solombavambahoaka ny fiarahana amin’izay fotoana izay; “implémentation régionale” no hatao amin’izany. Ny teny farany holazaina, nisy fanontaniana mikasika ny fanaraha-maso tokony hatao. Hentitra ny “suivi et évaluation”; ny “décret d’application” dia ato anatin’ity volavolan-dalàna ity ihany, ao amin’ny andininy faha-51. Nataonay mazava mihitsy mba hahatonga ny “engagement”-n’ny rehetra handeha amin’ny fanatontosana ity politikam-pirenena ity. Ao amin’ny andininy faha-51 no mametraka hoe: anaovana fandaharan’asa na “plan d’action” amin’ity zavatra ity, miaraka amin’izay ny “plan de financement” amin’ny fanatontosana azy. Rehefa lasa lalàna ity, ho hitanareo fa tsy maintsy ho tanterahina, mampanantena anareo fa hatao izany miaraka amin’ireto ekipa rehetra ato anivon’ny Minisiteran’ny Fampisahanana sy Fanofanana arak’asa ireto. Misaotra Tompokolahy sy Tompokovavy. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Minisitra, tamin’ny fanampim-panazavana nataonao teo. Ela tokoa ny ela, fa mbola tsy nahita volavolan-dalàna nahaliana Solombavambahoaka sahala amin’ity nataonao ity izahay, Andriamatoa Minisitra. Arahabaina manokana ianao fa tena liana tokoa ny Solombavambahoaka.

- Tehaka -

Page 28: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · ny ady atao amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona ; 3. ... amin’ny zaa vilana eo amin’ny sehatin’ny fampianaana sy ny

26

- 7 - - Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny volavolan-dalàna 043/2015 -

Andriamatoa FILOHA Mino aho fa samy afapo ny Solombavambahoaka rehetra tamin’ny fandraisam-pitenenana ka hiroso amin’ny fijerena ny isan’andininy momba ity volavolan-dalàna laharana faha-043/2015 tamin’ny faha-11 Novambra 2015 mikasika ny soridalan-kitondrana ny politikam-pirenena momba ny Asa sy ny Fanofanana Arak’asa ity isika. Ahitana « Titre » miisa 5, misy andininy miisa 54 ity volavolan-dalàna ity. « Titre I: Dispositions Générales » Ahitana andininy miisa 11. Andininy voalohany ka hatramin’ny andininy faha 11, nolanian’ny vaomiera tsy nasiam-panovàna. Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera.

- Solombavambahoaka maro no nanangan-tànana - Izay mitsipaka.

- Tsy misy - Izay tsy milaza ny heviny.

- Tsy misy - Ambara fa lany ny « Titre premier : Dispositions Générales » teo. « Titre II : Cadre général de Mise en œuvre de la PNEFP ». Ahitana andininy miisa 12. Andininy faha-12 ka hatramin’ny andininy faha-23, nolanian’ny vaomiera tsy nasiam-panovàna. Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera.

- Solombavambahoaka maro no nanangan-tànana - Izay mitsipaka.

- Tsy misy -

Page 29: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · ny ady atao amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona ; 3. ... amin’ny zaa vilana eo amin’ny sehatin’ny fampianaana sy ny

27

Izay tsy milaza ny heviny.

- Tsy misy -

Ambara fa lany ny « Titre II : Cadre Général de mise en œuvre de la PNEFP ». « Titre III: Cadre Institutionnel de Mise en oeuvre de l’ETFP/DC » Ahitana andininy miisa 19. Andininy faha-24 ka hatramin’ny andininy faha-42, nolanian’ny vaomiera tsy nasiam-panovàna. Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera.

- Solombavambahoaka maro no nanangan-tànana - Izay mitsipaka.

- Tsy misy - Izay tsy milaza ny heviny.

- Tsy misy - Ambara fa lany koa ny « Titre III : Cadre Institutionnel de mise en œuvre de l’ETFP/DC ». « Titre IV: Cadre Institutionnel de Mise en oeuvre de la Politique de l’Emploi ». Ahitana andininy miisa 8. Andininy faha-43 ka hatramin’ny andininy faha-50, nolanian’ny vaomiera tsy nasiam-panovàna. Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera.

- Solombavambahoaka maro no nanangan-tànana - Izay mitsipaka.

- Tsy misy - Izay tsy milaza ny heviny.

- Tsy misy - Ambara fa lany ny “Titre IV” araka ny voalaza teo.

Page 30: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · ny ady atao amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona ; 3. ... amin’ny zaa vilana eo amin’ny sehatin’ny fampianaana sy ny

28

“Titre V: Dispositions Finales” Ahitana andininy miisa 4. Andininy faha-51 ka hatramin’ny andininy faha-54, nolanian’ny vaomiera tsy nasiam-panovàna. Atsangano ny tànan’izay manaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera.

- Solombavambahoaka maro no nanangan-tànana - Izay mitsipaka.

- Tsy misy - Izay tsy milaza ny heviny.

- Tsy misy - Ambara ihany koa fa lany ny “Titre V: Dispositions Finales”. Vita izay ny fijerena isan’andininy, hiroso amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra ankapobeny mikasika ity volavolan-dalàna laharana faha-043/2015 tamin’ny faha-11 Novambra 2015 mikasika ny soridalan-kitondrana ny politikam-pirenena momba ny asa sy ny fanofanana arak’asa ity isika izao. Ny andininy faha-86 amin’ny Fitsipika Anaty mifehy ny Antenimierampirenena ihany no hampiharintsika amin’ny fandaniana ity volavolan-dalàna ity. Izay mandany ity volavolan-dalàna ity amin’ny ankapobeny, atsangano ny tànana.

- Solombavambahoaka maro no nanangan-tànana - Izay mitsipaka.

- Tsy misy- Izay tsy milaza ny heviny.

- Tsy misy - Ambarako fa lany tsy nisy nitsipaka ny volavolan-dalàna laharana faha-043/2015 tamin’ny 11 Novambra 2015 mikasika ny soridalan-kitondrana ny politikam-pirenena momba ny asa sy ny fanofanana arak’asa ity. Taorian’izay fandaniana volavolan-dalàna izay, Andriamatoa Minisitra, omena fitenenana indray ianao raha misy teny tianao hambara. Omena anao am-panajana ny fitenenana, Andriamatoa Minisitra.

Page 31: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · ny ady atao amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona ; 3. ... amin’ny zaa vilana eo amin’ny sehatin’ny fampianaana sy ny

29

Andriamatoa RAMANANTSOA Ramarcel Benjamina, Minisitry ny Asa, ny Fampianarana Teknika ary ny Fanofanana arak’asa Misaotra, Andriamatoa Filoha. Andriamatoa Filohan’ny Antenimierampirenena; Ianareo mpikambana ao amin’ny Birao Maharitra; Ramatoa sy Andriamatoa isany Solombavambahoakan’i Madagasikara. Ny teny tiana ifampizarana amintsika dia ny fanolorana fisaorana sy fankatelemana ary fankasitrahana anareo Solombavambahoaka tamin’ny nandanianareo ity volavolan-dalàna izay mitondra ny soridalana itondrana ny politikam-pirenena amin’ny fisahanana asa sy ny fanofanana arak’asa ity. Mankasitraka, mankatelina. Misaotra indrindra Tompoko. Misaotra anareo tamin’ny fandraisana anjara ; misy hanatevenana ny fampandehanan-draharaha eo anivon’ny Minisitera ny fifanakalozan-kevitra niarahana teo anivon’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa, indrindra ny fifanakalozana natao androany. Nahitanay Minisitera ihany koa fa ianareo Solombavambahoaka tokoa no mahafantatra ny zava-misy isaky ny Faritra misy anareo. Tsy nataonareo anjorom-bala izany fampianarana tekinika sy fanofanana arak’asa ary ny fampisahanana arak’asa izany. Mankatelina Tompokolahy. Mankasitraka Tompokovavy.

- Tehaka - Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Minisitra sy ireo teknisiana miaraka aminao tamin’ny fanomezam-panazavana tamin’ny dinika niarahana taminay teto. Vita izay ny anjaranareo koa omenay lalana am-panajana ianareo, hamonjy ny adidy aman’andraikitra hafa. Isika Solombavambahoaka kosa mbola misy lahadinika hafa hataontsika. Koa miangavy antsika hijanona amin’ny toerana sy hanana faharetana, Tompoko. Isaorana ianareo ary omen-dalana, Tompoko, mahaleova mahalasana.

- 8 - - Fandraisam-pitenenana ataon’ny Solombavambahoaka -

Andriamatoa FILOHA Tompokolahy sy Tompokovavy hajaina, alohan’ny hirosoantsika amin’ny lahadinika manaraka izay fivoriambe hanohizana ny fandinihana ny raharaha mikasika ny Solombavambahoaka NIARISY Mara, misy teboka roa tiako handraisana fitenenana eto anatrehanareo.

Page 32: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · ny ady atao amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona ; 3. ... amin’ny zaa vilana eo amin’ny sehatin’ny fampianaana sy ny

30

Ny voalohany amin’izany, mikasika ny fanatanterahana ny iraka any ivelany: niezaka ny Birao Maharitry ny Antenimierampirenena mba hampitovy ny zon’ny Solombavambahoaka tsirairay amin’izany fanatanterahana ny iraka any ivelany izany. Amin’izao fotoana izao, fantatra fa misy tokoa ny mbola tsy namita iraka tany ivelany; koa angatahana izy ireo mba hisoratra anarana hanaovana ny fandrindrana, Tompoko. Ho an’ireo izay mbola tsy nanatanteraka iraka tany ivelany tamin’ity “législature” ity no ilazana izany. Faharoa, noho ny antony maro, indrindra ho an’ny tombotsoa ambonin’ny Firenena sy ny vahoaka eto amin’ity tanindrazana iombonana ity ary noho ny filana amin’ny atony maro, niangavy ry zareo ao amin’ny Minisiteran’ny Vola sy ny Fitantanam-bola ny handrosoana amin’ny fotoana mahamety azy aloha indrindra ny “ratification de l’accord de prêt” rehetra satria raha ny “adoption”-n’ny “ratification” no jerena, mandrapahatongan’ny “promulgation”, misy lalana tsy azo ihodivirana kanefa maika ny “déblocage”-n’ny vola. Izay no nahatonga ny fiangaviana. Koa eto, mbola miangavy anareo amim-pitiavana sy amim-panajana rahalahy sy anabavy Solombavambahoaka hajaina isany, mba hanekenareo ny handrosoantsika mialoha ireny « ratification de l’accord de prêt » rehetra ireny sy ny handaniana azy araka izay azo atao. Izay no fiangaviana aroso amintsika, Tompoko. Noho ny antony voalaza teo no nahatonga ny fiangavian-dry zareo ary heveriko fa mitombina izany. Miangavy anareo am-pitiavana sy am-panajana ny tenako mba tsy handà izany. Manao satroka ny Solombavambahoaka RATSIVALAKA Michelle sy ny Solombavambahoaka NIARISY Mara, omena anareo ny fitenenana, Tompoko. Ramatoa RATSIVALAKA née RAHERIARIVO Marie Michelle Misaotra, Andriamatoa Filoha. Ny ahy ny fangatahako, tsy fantatro ny an’ny Solombavambahoaka hafa. Ny sonia fakana ny « îles eparses »-ntsika, any aminao, hono, ny sonia. Izahay mbola tsy nahavita an’iny sonia iny ka ahoana ny « organisation » an’izay sonia izay. Misaotra, Andriamatoa Filoha. Andriamatoa FILOHA Atz amiko ny sonia? Ramatoa RATSIVALAKA née RAHERIARIVO Marie Michelle Izay no filazan’Andriamatoa RAZAFITSIANDRAOFA Jean Brunel. Mandeha any aminao, hono, manao sonia. Efa niresaka taminao aho ka hoy ianao hoe « en voir d’organiser ». Andriamatoa FILOHA Hojereko izay azafady. Misaotra anao, Ramatoa Solombavambahoaka. Hojereko ny mikasika izay zavatra izay. Angamba tonga dia entina atz amin’ny « plénière », ato no manao sonia izay hanatevina ny mikasika izany.

Page 33: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · ny ady atao amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona ; 3. ... amin’ny zaa vilana eo amin’ny sehatin’ny fampianaana sy ny

31

Ny Solombavambahoaka NIARISY Mara, omena anao ny fitenenana, Tompoko. Andriamatoa NIARISY Mara Misaotra, Andriamatoa Filoha. Fanamarihana roa taorian’ny zavatra nataonao teo, Andriamatoa Filoha. Misaotra betsaka anao tamin’ny zavatra nataonao saingy mba misy fangatahana koa avy aminay; ny marimarina kokoa avy amiko izay mandray fitenenana. Misy Solombavambahoaka tokoa tato, Andriamatoa Filoha, tsy mbola nandeha na indray mandeha aza tao anatin’ny roa taona izay niasantsika izay. Nisy nandeha fa indray mandeha; nisy efa indimy, misy efa impolo. Indraindray aza…, hajanoko indray satria mahalava resaka izany. Ny zavatra angatahanay, Andriamatoa Filoha: niteny ianao hoe misoratra anarana; izahay koa mangataka hoe mba avoahy ny anaran’ny olona efa nandeha indimy na nandeha inefatra ary ny nandeha na indray mandeha aza, izay angamba no tokony hisoratra anarana. Ny nandeha inefatra, indimy ireto tokony ho fantatray. Amin’izay fotoana izay, tokony tsy handeha aloha raha tsy mba mandeha indroa na intelo ny sasany. Iray izay, Andriamatoa Filoha. Mankasitraka anao izahay raha manaraka an’izay fangatahanay izay ianao. Faharoa, amin’ny fiaraha-miasa: efa maro ny Solombavambahoaka niteny, Andriamatoa Filoha, fa tsy mbola nisy zavatra natao tato amin’ny Antenimierampirenena na avy aiza na avy aiza ka nitsipaka izany ny Solombavambahoaka. Izaho heverina ho mpanota aza kanefa na ny antoko nisy anay tsy mbola nanao « déclaration » izahay hoe mpanohitra. Firesahana ny zavatra tsy mety no natao. Firesahana ny zavatra heverina fa mety; matoa noresahantsika tsara ny zavatra natao teto iny, tsapan’ny Solombavambahoaka fa mety tokoa izany. Izay fanamarihana izay, Andriamatoa Filoha, no angatahana aminareo, fa ho an’ny firenena; ny Solombavambahoaka angamba heveriko fa mahafantatra an’izay. Fangatahana atao aminao, Andriamatoa Filoha, satria ianao no nampitondraina teny, mangataka aminao izahay, ahoana io fanaovana tsinontsinona anay io; atao « boite aux lettres » ve izahay ato, hatao « chiffon » ve izahay ato, rehefa madio ny tànana dia ariana ny Solombavambahoaka, tsy misy ilàna azy intsony. Mangataka aminao izahay, mba ataovy tonga any amin’ny olona nampitondra hafatra anao ny « traitement » ataon’ny olona aminay ato. Ny zavatra ataonay ato, mihinana izahay na ratsy na tsara satria avy aminao izany. Raha manaraka anao izahay satria ianao no Filohanay, mangataka aminao izahay, tandremo tsy hatao ohatran’io ny Solombavambahoaka, mihinana am-bolony sahala amin’io. Raha misy ilàna anay dia miresaka aminao any izahay, manatrika eto manao « bonjour ». Izao ary raha maty izaho NIARISY Mara, tsy mety izao, Andriamatoa Filoha, fa milela-paladia anao fa manaja anao izahay ary hanaraka izany teny izany izahay. Mba jereo ihany ny momba anay, Andriamatoa Filoha, satria afokafokain’ny olona, tsy asiany hasiny izahay; na resaka « protocole » io na Governemanta io. Matetika ao aminao izy no mandeha ka rehefa miresaka aminao izahay, lasa menatra anao. Ny Governemanta anie tsy miraharaha anay, Andriamatoa Filoha. Ny olona rehetra mitondra an’ireo « ratifications » ireo aza, tsy miraharaha anay, izay no iangaviana anao, Andriamatoa Filoha, amin’izay hanaraka ny resakao izahay, handany

Page 34: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · ny ady atao amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona ; 3. ... amin’ny zaa vilana eo amin’ny sehatin’ny fampianaana sy ny

32

an’ireo. Tsy olana aminay izany fa handany an’io izahay. Isaorana anareo be dia be ny fandaminana an’izany. Izahay tsy mandà an’izany fa mba asehoy aminay ireo olona indimy, inenina, impolo nandeha niaraka tamin’ny vady aman-janany. Misaotra betsaka, Andriamatoa Filoha, fa voaray izay. Milela-paladia anao, Andriamatoa Filoha, ny fitarainanay mba raiso tanteraka. Misaotra Tompoko. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka. Mangataka fitenenana ny Solombavambahoaka RAZANAMAHASOA Christine. Omena anao am-panajana ny fitenenana, Ramatoa Solombavambahoaka. Ramatoa RAZANAMAHASOA Christine Harijaona Misaotra, Andriamatoa Filoha. Nisy hafatra tokoa nomenao teo. Tiako ho fantatra fa “ratification” moa no angatahana hoe holaniana haingana amin’ny resaka pitsopitsony teo satria mbola “étape” sy “stade” ahafahana manatanteraka ny lalàna mifehy ny resaka famatsiana izay maika izany. Heveriko angamba fa maika ny fitondrana amin’izany, fa ny Solombavambahoaka ihany koa afaka mametraka ny zavatra maika eo amin’ny fomba iainany amin’izao fotoana izao. Mety efa misy “redoublant” na “triplant” ireo Solombavambahoaka ireo; any an-tsekoly moa no misy “redoublant” sy “triplant” sy “quadriplant”, ireo no atao hoe tsy mahay. Ny Solombavambahoaka kosa raha “redoublant”, “triplant”, “qaudriplant” dia tena Solombavambahoaka mamim-bahoaka izany, tena “légitime”; tena matanjaka. Ny fomba itondrana antsika Solombavambahoaka kosa mba mitaky farahakeliny fanajana. Marina ny an’Andriamatoa Solombavambahoaka NIARISY Mara teo, saingy izao no tiako ampahafantarina antsika rehetra: ny “ratification”, ny fankatoavana lalàna dia ny Solombavambahoaka ireny ihany no manana fahefana hanao izany, fahefana “incontournable” ho antsika Solombavambahoaka izany. Aoka re isika tsy ho “boite aux lettres”, rehefa misy itadiavana antsika tokoa dia hoe ataovy ny “ratification”; vita ny “ratification” androany, rahampitso ny ny zavatra angatahanao “le dernier de souci”, arangaranga aza ny fandràvana ny Antenimierampirenena. Aoka isika Solombavambahoaka, Tompoko, satria manana fiadiana matanjaka dia matanjaka isika amin’ny “pouvoir de ratification” ananantsika. Raha tany tan-dalàna na tany mandala ny demokrasia dia mandala ihany koa ny « équilibre de pouvoir ». Mba tokony ho “équilibrer”-na izay, Tompoko. Manaiky hanao “ratification” izahay, fa “en contre partie, dans la légalité” ihany « le traitement des Députés » izay mipetraka ho vazo. Izaho mbola tsy nahita ohatran’ity ; ianareo izay efa mandeha matetika any ampitan-dranomasina any, mbola resaka eto hoe misy mandeha indimy, inenina. Tsy fantatro izay ataon’ireny any fa izaho anisany nitarika delegasiona teto, Tompoko, nisy mambran’ny delegasiona nentiko, tsy hitako akory fa efa nirava ny fivoriana vao hitako izay olona izay. Tsy nahita azy akory aho, efa henoko ny tatitra vao nisy nanaporofo an’izany. Aoka re Tompoko, mba ho mendrika amin’ny asa rehetra sy ny iraka rehetra izay atao isika. Izany no angatahina amintsika rehetra hoe mba « equilibrer »-

Page 35: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · ny ady atao amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona ; 3. ... amin’ny zaa vilana eo amin’ny sehatin’ny fampianaana sy ny

33

na ny « droit »-n’ny Solombavambahoaka. Any ampita any, isika Malagasy no Solombavambahoaka gisitra indrindra, Tompoko. Raha maheno ianao, “petit pays” tahaka an’i “Rwanda” na i “Burundi” fa tena hita very isika Malagasy. Raha mba tsinjaraina araka ny tokony ho izy, izay no mety. Izahay koa mahita hoe io « loi de finances » io mbola ho resaka hafa koa ny antsika, fa ny « ratification » izay tokony hataontsika aoka isika Solombavambahoaka tsy hanao ohatran’ny mpanangan-tànana, mpandany « ratification » fa tokony hampiasaintsika izany fahafahantsika manatanteraka izany. Tsy misy araka ny tenin-dRamatoa Filoha Lefitra, RAZAFIMANANTSOA Lobo Hanitriniaina hoe: tsy misy zavatra tsy vitan’ny fifanatonana sy fifanamboarana anie. Koa miangavy anao izahay, Andriamatoa Filoha, marina ny azy. Izahay koa miangavy anao. Izay no atao hoe zavatra mifandanja sy mifameno. Misaotra indrindra, Tompoko. Farany, sao lava resaka aho : ny « cas » ny Solombavambahoaka RAKOTOMANGA Lanto, Tompoko, satria miahy azy ianareo. Misaotra Tompoko. Satria misy Solombavambahoaka mbola tsy nivoaka na efa nivoaka fa indray mandeha, ohatran’ireo sasany ireo ; izahay mba efa nanomboka navoakanareo. Misaotra anareo fa izahay ato amin’ity Antenimierampirenena ity hoe miady ho any an-dafy, niady ho an’ny vahoakatsika koa isika, niady ho an’ny Solombavambahoaka namantsika. Ny Solombavambahoaka RAKOTOMANGA Lanto navelanareo handeha hanao « mission » any « Maroc ». Rehefa vita daholo ny taratasy, voakarakara, handeha amin’izay vao hoe : tsy « lever » ny « immunité » ; tsia tsy « lever » ny IST. Ny fanjakana no manana fahefana hanao IST ary isika koa manana fahefana amin’ny fananana « immunité » ; arangarangany ny fahefany, koa nahoana ny antsika no tsy arangaranga. Izahay mba mangataka, tianay ho fantatra, lazao eto, Andriamatoa Filoha: iza no misakana, iza no mbola mametraka ny IST ka mahatonga azy voasakana ohatran’izany ny Solombavambahoaka namana. Mino aho fa tsy hiantraika amin’ny Solombavambahoaka RAKOTOMANGA Lanto ihany izao zavatra izao. Angatahana ny hifanarahan’izany, mba hifanatona ho “lever”-na ; tsy fantatro izay ifandaminana fa tsy hoe hifandona na hifampirefotra. Misaotra Tompoko. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Ramatoa Solombavambahoaka, tamin’ny fandraisam-pitenenana teo. Mandray fitenenana manaraka, ny Solombavambahoaka RAZAFIMILY Constance, arahin’ny Solombavambahoaka PAUL Bert. Andriamatoa RAZAFIMILY Constance Misaotra, Andriamatoa Filoha. Izaho aloha somary gagagaga ihany amin’ny fomba fitondran’ny Governemanta ny fiaraha-miasantsika amin-dry zareo. Niantso azy isika Solombavambahoaka tamin’io resaka “urne” marobe io; tsy tonga na naneho fialan-tsininy ny Minisitry ny Atitany na ny “expert” nolazainareo hoe “expert” momba ny fifidianana izany. Amiko, miainga any ny fangalaram-bato, miainga amin’ny Filohan’ny CENI io izany. Andriamatoa Filoha, tokony hifanome hasina

Page 36: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · ny ady atao amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona ; 3. ... amin’ny zaa vilana eo amin’ny sehatin’ny fampianaana sy ny

34

ny olombelona, indrindra isika “Institution”. Ry zareo mambran’ny Governemanta anie izao no tsy manome hasina antsika. “Session budgétaire” isika, izao no tokony handinihantsika eto ny “loi de finances initiale”. Tokony holaniana izany satria efa herinandro mahery no nahavitanay azy tany amin’ny “commission”. Tsy hitako izay zavatra andrasana, avy eo vao asesika, misy iray asesika. Efa lasa “boite aux lettres” isika, efa tsy manana ny hasina intsony ity Solombavambahoaka ity. Noho izany, Andriamatoa Filoha, ataovy tsangan-tànana raha mbola handray an’izany “ratification’ izany isika raha toa mbola tsy voavaha io resaka “urne” iray isaky ny Distrika io. Misaotra Tompoko. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka. Ny Solombavambahoaka RAHASIMANANA Paul Bert; omena anao am-panjana ny fitenenana, Tompoko. Andriamatoa RAHASIMANANA Paul Bert Miarahaba, Andriamatoa Filoha. Miarahaba antsika mianakavy. Teny roa tsotra ny ahy: mba ampitao any amin’ny Mpanatanteraka amin’ny maha Filoha anao, Andriamatoa Filoha, fa tsy azonay Solombavambahoaka ekena ny fanabarabarana ny Filohanay. Efa any anaty fiaramanidina no averina. Tsy fanao izany, izahay dia manohitra tanteraka ny zavatra ohatran’izany. Azo atao amin’ny fahalalam-pomba, Tompoko, ny zavatra tahak’izany ary tsy avoaka gazety na anaovana “tamtam”. Azonareo antsoina moramora izy, hajao ny lehibenay fa maminay loatra io. Faharoa, raha ny marina “en vertue de separation des pouvoirs”, tsy manana alalana hisakana ny lehibenay ianareo, Tompoko. Raha ny fianarana kely mba nataonay, disoy aho namana raha ohatra diso izany: amin’izay fanapahan-kevitra ataonay ato na ho aiza izy na ho aiza, rehefa mandeha izy misy olona misolo azy, eo ny manam-pahaizana momba izany. Farany, ny Solombavambahoaka Lanto RAKOTOMANGA, tsy nalainay tato ny “immunité parlementaire”-ny; ny dikan’izay, manana “immunité” izy no mbola miverina amin’ny teo ihany hoe: fanabarabarana ny Solombavambahoaka ny fanomezana IST ho an’ny olona manana “immunité” izay tsy nanao heloka. Tsy hitanay izay tena iampangana azy, tsy hitanay izay fandehan’ny “enquête” natao momba azy. Mbola averiko indray mandeha: ny faniriako, ampitao any amin’ny Mpanatanteraka, Tompoko, amin’ny anaranay rehetra; tsy haiko izay manohitra an’izay fa mitohy hatrany ny fanabarabarana Solombavambahoaka; efa hadrohadroin’ny olona mihitsy isika. Misaotra Tompokolahy. Misaotra Tompokovavy.

Page 37: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · ny ady atao amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona ; 3. ... amin’ny zaa vilana eo amin’ny sehatin’ny fampianaana sy ny

35

Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka. Mandray fitenenana manaraka ny Solombavambahoaka ZAFIMAHATRATRA Abel. Aorian’izay, ny Solombavambahoaka RAKOTOMALALA Lucien. Andriamatoa ZAFIMAHATRATRA Abel Misaotra, Andriamatoa Filoha. Iarahanay manana ny fiarovana ny hasin’ny “Institution” teo satria efa nataon-dry zareo tamintsika izany. Azafady aminareo anie, Andriamatoa Solombavambahoaka, fanindroany izao no nataony tamintsika izany. Tamin’ny fetin’ny 26 Jona, tany amin’ny toerana farany no nametrahana ny Filohantsika, io tamin’ny fiaramanidina io indray no faharoa. Renay siosio daholo izany, fa izao vao tena vaky. Zarao aminay, Andriamatoa Filoha, ny maharary anao, fa tsy misy ampitahorin-dry zareo izany eto. Raha ianao Filohan’ity Andrimpanjakana ity no atao an’izany, tsy mety izany. Zarao aminay raha ohatra misy zavatra mampalahelo anao. Aleo zaraina ho an’izay tsy maheno satria mety lasa any ambanivohitra any indraindray, amin’izay mba ahafahantsika manambatra ny herintsika satria tsy mendrika izany ianao, Andriamatoa Filoha. Faharoa, tamin’ny maraina teo, Andriamatoa Filoha, anisan’ny nanohitra amin’ny tokony hanaovana an’ity “ratification” ity aho satria vola hindramina ity; asa na haverina na tsia, tsy fantatro. Hita ao daholo ny pitsopitsony rehetra ao amin’ny raharaham-pirenena; na maika te-hahazo an’io vola io aza ny Mpanatanteraka, izy irery ihany no mahay milalao vola. Tsy misy malaina an’izany ny tànan’olona rehetra. Andriamatoa Filoha, raha ny fandaniana an’ity no mahamaika, ekena raha izay no maha mety azy; kanefa araka ny noteneniko teo, raharaham-pirenena ity ka aleo dinihana ambony, dinihana ambany sao maimaika eo isika. Sao mety ho fandrika satria efa nisy lalàna navoakan’ny Minisiteran’ny Atitany izay any, tsy fantatra intsony izay lehibe na ny “Chef de Région” na ny “Préfet de Région”. Raha izaho no tononina farany, mivoaka aho fa eo ianareo. Ireo rehetra ireo, Andriamatoa Filoha; marina ny anao hoe hanatsarana ny firenena, hafa anefa no amadihana azy. Raha te-hanatsara ny fiainam-pirenena, tsy maintsy miteny ny marina raha ny fahitanay azy. Andriamatoa Filoha, raha hoy ianao hoe noho ny fiangavian’izy ireo no mahamety azy, isika ve tambatambazana « carburant » kely dia manaiky; tsy fantatro, resa-bola hindramina ity; rahoviana ity no haverina, firy isan-jato no zanabola, ahoana no fomba hamerenana azy. Hampiasaina eto amin’ny firenena marina ve. Misaotra Tompoko, dinihantsika miaraka mba tsy hihinana amam-bolony isika. Izaho aloha mbola tsy nahita hatramin’izay hoe rehefa misy “ratification” dia atao iray andro na roa andro amin’ny ahatongavany ato; tonga dia ampidirina « travaux de commission » sahady. Andriamatoa Filoha, mila dinihana, alaina ambony, alaina ambany mba hampisy hasiny an’ity Antenimierampirenena izay mamin’ny vahoaka ity satria ato ny lapa ahafahantsika manatanteraka an’izay andraikitra sy ny adidy maha izy azy antsika Solombavambahoaka izay. Misaotra Tompoko.

Page 38: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · ny ady atao amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona ; 3. ... amin’ny zaa vilana eo amin’ny sehatin’ny fampianaana sy ny

36

Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka. Andriamatoa RAKOTOMALALA Lucien. Andriamatoa RAKOTOMALALA Lucien Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana. Andriamatoa Filoha, raha ny tena marina, tsy tokony tamin’ny « séances plénière » no anaovantsika adihevitra sahala amin’izao satria lasalasa ihany ny tenin’ireo namana Solombavambahoaka. Sanatrian’izany hotenenin’ny mpanao gazety isika hoe manao « chantage ». Ny antony, « ratification » nandeha nitady vola ny Governemanta, vola hotrosaina entina hampandroso an’i Madagasikara, isika indray no lasa « blocage » an’izay zavatra izay. Elanelam-panahy, Andriamatoa Filoha, ny ahy: manana « commission plénière » isika. Ny zavatra horesahana amin’ny « commission plénière » dia ny alahelon’ny Solombavambahoaka tsirairay. Izay no entinao any amin’ny Governemanta, fa androany izay fiangavianao izay, satria ataony fitaovana ianao, Andriamatoa Filoha. Noho ny fiangavianao, Andriamatoa Filoha, miangavy ny namana Solombavambahoaka aho mba hekena ny fangatahanao saingy amin’ny « commision plénière », mba misy hafatra maromaro avy amin’ny Solombavambahoaka hoentinao any amin’ny Governemanta. « Séances plénière » isika izao ka hajanoko eo ny ahy. Mba miangavy, Andriamatoa Filoha, “ultimatum” izay napetrakatsika rehetra izay. Misaotra Tompoko. Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka. Mandray fitenenana manaraka ny Solombavambahoaka ANDRIANTSIZEHENA Benja Urbain. Andriamatoa ANDRIANTSIZEHENA Benja Urbain Misaotra, Andriamatoa Filoha, nanome ny fitenenana. Lafiny anankiray mikasika ny namana Solombavambahoaka Lanto RAKOTOMANGA teo ny ahy, Andriamatoa Filoha. Manana fahasahiana izay Minisitra namoaka an’iny IST iny. Mba miangavy anareo ao amin’ny Birao Maharitra izahay hamaha an’io haingana mba tsy hitatra zavatra hafa satria izany Solombavambahoaka omena IST izany dia zavatra tokony tsy hisy mihitsy raha tsy esorina ny « immunité parlementaire » ananany. Mikasika ny fiangaviana teo, Andriamatoa Filoha: raha ny fahitako azy, manamafy ny tenin’ny Solombavambahoaka RAKOTOMALALA Lucien teo, satria isika tamin’ny maraina efa nandray fanapahan-kevitra tamin’ny alalan’ny tsangan-tànana fa hatao ny « ratification » raha tsy diso ny fitadidiako. Ny fiangavian’Andriamatoa Filoha izay raha ny fahitako azy, haroso aloha izany, fa tsy ny notapahina tamin’ny maraina. Tsy izay ve izy teo? Manamafy aho ary mitovy fomba fijery amin’ny namana. Aoka isika tsy ho sarotiny loatra amin’izany “ratification” izany satria na isika handany na isika hitsipaka kanefa araka ny fahafantarana azy dia misy fe-potoana enjehina mikasika izany. Miangavy antsika Solombavambahoaka namana rehetra mba hiroso amin’izay zavatra izay. Aleo angamba hataontsika amin’ny « séance plénière » izay fa raha ny fifandraisan’ny Parlemanta sy ny

Page 39: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · ny ady atao amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona ; 3. ... amin’ny zaa vilana eo amin’ny sehatin’ny fampianaana sy ny

37

Governemanta; porofon’izany ny zavatra hitanay maso tany Ankazoabo sy ny zavatra nahazo ny Solombavambahoaka Lanto RAKOTOMANGA. Tsy azo atao eto izany, Andriamatoa Filoha, fa any amin’ny « commission plénière » no mifandamina amin’izay zavatra izay. Misaotra, Andriamatoa Filoha.

- 9 - - Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny androsoana ny fandaharam-potoana -

Andriamatoa FILOHA Misaotra anao, Andriamatoa Solombavambahoaka. Misaotra anareo rehetra tamin’ny fandraisana fitenenana. Ny hafatra nalefanareo tamiko dia voaray soa aman-tsara. Voaray, Tompoko ary trafon-kena ome-mahery ireny, ambava homana, am-po mieritreritra. Mikasika ny Solombavambahoaka Lanto RAKOTOMANGA: efa nanao “demarche” ny tenako raha ny momba an’io hatrany amin’ny faratampony. Natao ambava izany, fa hamafisina an-taratasy tsy misy hatak’andro izay zavatra izay mba ahafantarana hoe aiza no misy « blocage ». Izay no mikasika an’iny. Momba ny namana mamita iraka mankany ivelany: mbola mamerina ny fiangaviana aho; voaray ny hafatra, Andriamatoa Solombavambahoaka Mara NIARISY. Matoa mangataka an’izay zavatra izay, ataontsika ny fandinihana satria tsy mora ny manao zavatra. Maro ny efa nandeha sy ny tsy mbola nandeha ary fantatray izany zavatra izany. Izay no mahatonga hoe : miangavy re, manorata anarana izay mbola tsy nandeha mba hanaovantsika ny fandaminana momba izany. Momba ny resaka Andrimpanjakana samy Andrimpanjakana, ao amin’ny “commission plénière” izay hataontsika. Tsy afaka nanao fihaonana tamin’ny Governemanta isika tamin’ity volana ity ary ny « session » efa ho tapitra amin’ny faha-18 Desambra izao. Tsy fantaro fa tsy hisy izy amin’ity volana ity sa hatao amin’ny « séances de clôture ». Ny hafatra nolazainareo rehetra teo, voaray ary tokony ho tonga any amin’ny olona izay hitondrana azy, Tompoko. Makasitraka, mankatelina anareo amin’izay zavatra izay. Raha ohatra ka ekenareo, miangavy anareo aho amin’ny handraisantsika fanapahan-kevitra arak’izay voalaza teo. Miangavy anareo aho, atsangano ny tànan’izay manaiky fa harosontsika ny fandinihana an’izay « ratification » izay ary raha jerena ny fandaharam-potoantsika, rahampitso maraina dia efa miroso any amin’ny « commission permanente » izay zavatra izay.

Page 40: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · ny ady atao amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona ; 3. ... amin’ny zaa vilana eo amin’ny sehatin’ny fampianaana sy ny

38

Atsangano ny tànan’izay manaiky izany fanapahan-kevitra izany.

- Solombavambahoaka maro no nanangan-tànana - Ny handrosoantsika azy amin’ny “séance plénière” amin’ny Alatsinainy tolak’andro angamba no anaovana azy satria ny maraina isika manao “commission plénière”. Alohan’ny hihaonana amin’ny “Douane” no hanaovantsika ny fandaniana azy sady mbola eo koa ry zareo ao amin’ny “Finances”. Atsangano ny tànan’izay manaiky an’izay; amin’ny Alatsinainy tolak’andro, alohan’ny hihaonana amin’ny “Douane”. Aza masiaka ianareo fa tsy moramora ity zavatra ity, efa maro ny zavatra natao tamin’ny maraina teo. Atsangano ny tànan’izay mitsipaka ny handrosoana mialoha ireo “ratifications” ireo.

- Solombavambahoaka miisa 9 no nanangan-tànana - Izay tsy milaza ny heviny.

- Tsy misy - Lany fa harosontsika rahampitso maraina any amin’ny “commission des Finances et Budget” ireo “ratifications” ireo. Atsangano ny tànan’izay mandany ny handraisana fanapahan-kevitra momba azy amin’ny Alatsinainy tolak’andro.

- Solombavambahoaka maro no nanangan-tànana - Izay mitsipaka ny handraisana fanapahan-kevitra ny Alatsinainy tolak’andro.

- Tsy misy - Izay tsy milaza ny heviny.

- Solombavambahoaka iray no nanangan-tànana - Arosontsika amin’ny Alatsinainy tolak’andro izany ny fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ireo “ratifications”. Noho izany, miangavy ny Filoha sy ny mpikambana ao amin’ny Vaomieran’ny Vola sy ny Fitantanam-bola hivory ao amin’ny toerana izay voatondro ho amin’izany rahampitso maraina. Misaotra Tompokolahy. Mankasitraka Tompokovavy.

Page 41: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · ny ady atao amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona ; 3. ... amin’ny zaa vilana eo amin’ny sehatin’ny fampianaana sy ny

39

- 10 - - Tatitra momba ny raharahan’ny Solombavambahoaka NIARISY Mara -

Andriamatoa FILOHA Hiroso amin’ny fandaharam-potoana manaraka indray isika; tsy inona izany fa ny fivoriambe hanohizana sy handinihana ny raharaha mikasika ny namantsika Solombavambahoaka Mara NIARISY. Koa miangavy am-panajana ny mpampakatenin’ny Vaomiera hiroso etz anoloana hitondra ny tatitra. Tahaka ny mahazatra, asesintsika amin’ny tehaka izany. Fanamarihana: Andriamatoa RANDRIANANDRAINA Théophile Christian no nitondra ny tatitra. Rehefa vita ny tatitra, mbola nitondra fanamarihana amin’ny tokony hanatsarana sy hampidirana manontolo ny zava-nisy marina tany an-toerana ny Solombavambahoaka rehetra nandray fitenenana. Tsapa fa maro ny zavatra banga tao anatin’izany, ka ho fanatsarana azy, maro ny Solombavambahoaka nitondra soso-kevitra mba hampisehoana ny tranga nisy tany Ankazoabo ka anisan’izany ny handraisan’ny Sampandraharahan’ny Fitanana an-tsoratra ato amin’ny Antenimierampirenena na ny “Service des Procès-Verbaux” ny firaketana an-tsoratra ny tranga tany an-toerana, tao koa ny fandrindrana ny sary sy ny soratra amin’ny alalan’ny “CD”. Anisan’ny nanolo-tena hanampy amin’izany ny Solombavambahoaka RAHASIMANANA Paul Bert. Tapaka tamin’izany fa ireo zavatra roa ireo no hatao ka anjaran’ny Solombavambahoaka NIARISY Mara no manaparitaka izany amin’ny olona tokony ho voakasika tamin’ny raharaha momba azy; toy ny fandefasana ny boky sy ny rakipeo any amin’ny tompon’andraikitra misahana ny filaminana, ny haino aman-jery ary ireo sampandraharaha mila izany; ao ihany koa ny Solombavambahoaka araka izay filany. Tapaky ny besinimaro fa homena fe-potoana amin’ny tokony hahavitana ny tatitra amin’ny fomba mirindra ny Sampandraharan’ny “Procès-Verbaux” ary hanao torak’izany koa ny Solombavambahoaka NIARISY Mara amin’ny fandrindrana ny sary sy ny feo mifanaraka amin’ny tatitra an-tsoratra. Marihana hatrany fa efa novakiana tamin’ny fivoriambe mitondra ny laharana faha-159 notanterahana ny Talata 1 Desambra 2015 teo ny tatitra mikasika ny raharahan’ny Solombavambahoaka NIARISY Mara, nataon’ny Mpampakatenin’ny “Commission d’Enquête Parlementaire” najoro hiandraikitra ity raharaha ity. Narindra nandritra ny herinandro indray ny fitanana an-tsoratra ka toy izao no firafitr’izany amin’ny ankapobeny:

Page 42: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · ny ady atao amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona ; 3. ... amin’ny zaa vilana eo amin’ny sehatin’ny fampianaana sy ny
Page 43: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · ny ady atao amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona ; 3. ... amin’ny zaa vilana eo amin’ny sehatin’ny fampianaana sy ny

FIZAHAN-TAKELAKA Pejy - Fitohizan’ny fivoriana ............................................................................................................ 01 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 01 - Fiantsoana anarana ............................................................................................................... 01 - Teny nataon’Andriamatoa HELSON Brisson Erafa ................................................................ 01 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 02 - Famakiana ny tatitra ............................................................................................................. 02 - Teny nataon-dRamatoa RASOANOROMALALA Marie Horace .............................................. 02 - Fanamarihana sy fanitsiana ny tatitra ................................................................................... 08 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 08 - Teny nataon’Andriamatoa RAMANANTSOA Ramarcel Benjamina, Minisitry ny Asa, ny Fampianarana Teknika ary ny Fanofanana arak’asa ............................... 08 - Famelabelarana ny antonanton’ny Volavolan-dalàna .......................................................... 09 - Teny nataon’Andriamatoa RAMANANTSOA Ramarcel Benjamina, Minisitry ny Asa, ny Fampianarana Teknika ary ny Fanoranana arak’asa .............................. 09 - Adihevitra ankapobeny ......................................................................................................... 11 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 11 - Teny nataon’Andriamatoa TSIVOULANGNE Maximin ........................................................... 12 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 12 - Teny nataon’Andriamatoa RAZAFIMAHATRATRA Abel ........................................................ 12 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 14 - Teny nataon-dRamatoa RAHANTASOA Lydia Aimée Vololona ............................................. 14 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 15 - Teny nataon’Andriamatoa ANDRIAMITANTSOA RAMASINDRAIBE Benjamin ...................... 15 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 16 - Teny nataon’Andriamatoa DINAH Romuald ......................................................................... 16 - Teny nataon-dRamatoa RASOAHERINJATOVO Bodovoangy Dimitrine ................................ 17 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 17 - Teny nataon’Andriamatoa RANDRIANANTENAINA Olivier Antonny José ............................ 17 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 18 - Teny nataon-dRamatoa RAZANAMAHASOA Christine Harijaona ......................................... 18 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 19 - Teny nataon-dRamatoa NAHARIMAMY Lucie Irmah ............................................................ 19 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 20 - Teny nataon’Andriamatoa RANDRIAMAHEFA Henri Charles ............................................... 20 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 21 - Teny nataon’Andriamatoa RAMANANTSOA Ramarcel Benjamina, Minisitry ny Asa, ny Fampianarana Teknika ary ny Fanofanana arak’asa ............................... 21 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 25 - Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny volavolan-dalàna ............................................ 26 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 26 - Teny nataon’Andriamatoa RAMANANTSOA Ramarcel Benjamina, Minisitry ny Asa, ny Fampianarana Teknika ary ny Fanofanana arak’asa ............................... 29 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 29

Page 44: FOTOPOTOTRY NY FIVORIANA - assemblee-nationale.mg · ny ady atao amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona ; 3. ... amin’ny zaa vilana eo amin’ny sehatin’ny fampianaana sy ny

- Fandraisam-pitenenana ataon’ny Solombavambahoaka ..................................................... 29 - Teny nataon-dRamatoa RATSIVALAKA née RAHERIARIVO Marie Michelle .......................... 30 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 30 - Teny nataon’Andriamatoa NIARISY Mara ............................................................................. 31 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 32 - Teny nataon-dRamatoa RAZANAMAHASOA Christine Harijaona ......................................... 32 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 33 - Teny nataon’Andriamatoa RAZAFIMILY Constance .............................................................. 33 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 34 - Teny nataon’Andriamatoa RAHASIMANANA Paul Bert ........................................................ 34 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 35 - Teny nataon’Andriamatoa ZAFIMAHATRATRA Abel ............................................................. 35 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 36 - Teny nataon’Andriamatoa RAKOTOMALALA Lucien ............................................................. 36 - Teny nataon’Andriamatoa ANDRIANTSIZEHENA Benja Urbain ............................................ 36 - Fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny androsoana ny fandaharam-potoana ............ 37 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 37 - Tatitra momba ny raharahan’ny Solombavambahoaka NIARISY Mara ................................ 39 - Teny nataon’Andriamatoa FILOHA ........................................................................................ 39 - Fiatoan’ny fivoriana ............................................................................................................... 40