32
Ho Sambatra Ianao Raha Manana NY TENA FINOANA

Ho Sambatra Ianao Raha Manana ny Tena Finoana

Embed Size (px)

DESCRIPTION

Malagasy

Citation preview

Ho Sambatra IanaoRaha Manana

NY TENA FINOANA

1 Miahy Antsika ve Andriamanitra? 3

2 Inona no Atao hoe Tena Finoana? 4

3 Torohevitra Mahasoa 6

4 Iza moa Andriamanitra? 10

5 Tsy Manan-tsahala Ireo Toetran’Andriamanitra 12

6 Nahoana Andriamanitra no Namorona ny Tany? 15

7 Inona no Fampanantenana Nambara Tamin’nyMpaminany? 18

8 Tonga ny Mesia 20

9 Tahafo Ilay Mesia 22

10 Ilay Fahavalon’ny Finoana 24

11 Iza no Manana ny Tena Finoana Ankehitriny? 26

12 Porofoy fa Manana ny Tena Finoana Ianao! 28

13 Ho Sambatra Mandrakizay Ireo Manana ny Tena Finoana 30

LOHA HEVITRA ATO ANATINY

FIZARANA PEJY

Sary nahazoan-dalana: Pejy 13, ambany: ˘ GUIZIOU Franck/age fotostock; pejy 25, gilaoby: Based on NASA/VisibleEarth imagery

� 2010Monominoto Seisho Sasshi KyokaiTsy azo adika na alain-tahaka

Ho Sambatra Ianao Raha Manana ny Tena Finoana

MpampanontaMonominoto Seisho Sasshi Kyokai

Pirinty natao tamin’ny 2010

Tsy natao hamidy ity bokikely ity. Ny famoahana azy ity dia anisan’ny asa fampianaranamaneran-tany tohanana amin’ny alalan’ny fanomezana an-tsitrapo.

Raha tsy misy fanamarihana manokana, dia avy amin’ilay dikan-teny maoderina hoeNy Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ny andinin-teny ato

Real Faith—Your Key to a Happy Life Malagasy (rk-MG)

Made in JapanNatao tany Japon

BE DIA BE ny zava-manahiranany olombelona ankehitriny. Olo-

na an-tapitrisany no mijaly voka-try ny ady, hetraketraky ny natiora,

aretina, fahantrana, kolikoly ary olanahafa. Ary ianao? Maro koa angamba nyzavatra mampanahy anao isan’andro.Iza no afaka manampy antsika? Mbamisy miahy antsika ihany ve?

Azo antoka fa tena miahy antsikaAndriamanitra. Hoy izy ao amin’ny Te-niny: “Mety hanadino ny zanany mbo-la minono ve ny vehivavy, ka tsy hango-raka an’izay naloaky ny kibony? Metyhanadino tokoa ireny vehivavy ireny, faizaho kosa tsy mba hanadino anao.”�

Tsy mampahery anao ve izany? Ma-

� Jereo ny Isaia 49:15, ao amin’ny Soratra Masina.

hery ny fitiavan’ny reny ny zanany, nefamihoatra lavitra noho izany ny fitia-van’Andriamanitra antsika. Tsy handaoantsika mihitsy izy! Efa nanampy antsi-ka aza izy, satria natorony antsika izayhahasambatra antsika, dia ny tena fi-noana.

Ho sambatra ianao raha manana nytena finoana. Hisoroka olana maro ia-nao amin’izay, ary ho afaka hiatrikany olana tsy azo ialana. Ho akaiky an’Andriamanitra koa ianao, ary hilamin-tsaina sy hanana fiadanam-po. Hiainamandrakizay ao amin’ny Paradisa mihi-tsy aza ianao, raha asehonao fa mananany tena finoana ianao!

Inona anefa no atao hoe tena finoa-na? Ahoana no atao mba hanananaazy io?

1 Miahy Antsika ve Andriamanitra?

Mihoatra noho nyfitiavan’ny reny ny zananyny fitiavan’Andriamanitra

antsika

NY TENA FINOANA 3

MARO no mino fa misy Andriamanitra.Tsy izany fotsiny anefa no atao hoe tenafinoana. Olona an-tapitrisany mantsy nomino an’Andriamanitra, nefa minia ma-nao ratsy. Azo oharina amin’ny vola sa-ndoka ny finoana toy izany, satria toy nytena izy nefa tsy misy vidiny. Inona aryno atao hoe tena finoana?

Mifototra amin’ny fahalalana marina tsarany tena finoana. Ny Soratra Masina no mi-laza ny marina momba an’Andriamani-tra, ary manampy antsika hahalala azy.Hita ao ny lalany sy ny fikasany, ary koany fampianarany, anisan’izany ireto:

˙ Tokana Andriamanitra. Tsy misymitovy aminy.

˙ Tsy Andriamanitra MaheryIndrindra i Jesosy, fa mpaminanin’Andriamanitra.

˙ Melohin’Andriamanitra rehefa metyho fanompoan-tsampy.

˙ Hiatrika andro fitsarana isikaolombelona.

˙ Hisy olona maro be hatsanganaamin’ny maty, ka hiaina ao amin’nyParadisa.

Mandrisika hanao ny tsara ny tena finoana.Mahazo voninahitra Andriamanitra arymandray soa ny tenantsika sy ny hafa, re-hefa manao ny tsara isika, ohatra hoe

˙ manompo an’Andriamanitra.˙ miezaka hanana toetra tsara,

indrindra fa ny fitiavana.˙ miady mafy mba tsy haniry na

hieritreritra zava-dratsy.˙ matoky an’Andriamanitra foana, na

dia misy olana aza.

2 Inona no Atao hoe Tena Finoana?

Toy ny vola ny finoana, ka tsymisy vidiny raha tsy tena izy

Azo antoka fa narovan’Andriamanitra ny

Soratra Masina mba hitovy amin’ilay tany

am-boalohany ihany no ananantsika

ankehitriny. Mahery Indrindra izy ka mahavita

miaro ny bokiny. Hoy ny Teniny: “Maina ny

ahitra ary malazo ny voninkazo, fa ny tenin’

Andriamanitsika kosa haharitra mandritra ny

fotoana tsy voafetra.”—Isaia 40:8.

Arovan’Andriamanitra ny Teniny

4 NY TENA FINOANA

˙ mampianatra ny hafa mombaan’Andriamanitra.

Ahoana no hananana ny tena finoana?

Mangataha ny fanampian’Andriamanitra.Nivavaka toy izao tamin’Andriamanitra iMosesy mpaminany: “Mba ampahafanta-ro ahy re ny lalanao, hahafantarako anaoka hahazoako sitraka aminao e!”� Nohe-noin’Andriamanitra izy, ka nanjary nana-na finoana niavaka. Hanampy anao ha-nana ny tena finoana koa Andriamanitra.

Manokana fotoana hianarana ny SoratraMasina. Anisan’ny Soratra Masina ny To-rah sy ny Salamo ary ny Filazantsara, izaysamy hita ao amin’ny Baiboly Masina. NyBaiboly no boky voadika amin’ny fiteny

� Eksodosy 33:13.

maro indrindra sy miely indrindra eran-tany. Misy anananao ve ireo soratra masi-na ireo?

Ampiharo eo amin’ny fiainanao ny toro-hevitry ny Soratra Masina. Toy ny hoza-tra ny finoana, ka mihamatanjaka rehefaampiasaina. Hatanjaka koa ny finoanaoraha asehonao amin’ny ataonao. Ianaomihitsy no hahita fa mahasoa ny torohe-vitr’Andriamanitra. Olona maro dia marono nanaraka ny torohevitry ny SoratraMasina, ka nihatsara ny fiainany. Hahitaohatra momba izany ianao ato.

Ahoana no Havalinao?

˙ Mifototra amin’ny inona nytena finoana?

˙ Mandrisika antsika hanaozavatra tsara inona avy nytena finoana?

˙ Inona no azonao atao mbahananana ny tena finoana?

Mandrisikahanao ny tsarany tena finoana

Toy ny hozatrany finoana, ka

mihamatanjakarehefa ampiasaina

AOKA hatao hoe misy dokotera vao ni-findra eo akaikinareo. Mety hisalasalany hotsaboiny ianao amin’ny voaloha-ny. Ahoana anefa raha nisy namanaonotsaboiny ka tena nihatsara? Tsy hieri-treritra ny hanatona an’io dokotera iokoa ve ianao?

Azo lazaina hoe toa an’io dokotera iony Soratra Masina. Misalasala ny handi-nika azy io ny olona sasany. Tena miha-tsara anefa ny fiainany rehefa manarakany torohevitra ao izy ireo. Diniho angeireto ohatra ireto e!

Lasa sambatra am-panambadiana

Hoy ny vehivavy iray atao hoe Sumia-tun: “Vao nivady kelikely izahay sy Du-mas, dia hitako hoe tsy noraharahainyintsony aho. Sosotra be aho, ka mateti-ka no nivazavaza taminy sy nitoraka azyary nikasi-tanana azy mihitsy. Safotramihitsy aho indraindray, rehefa tezi-tra be.

“Nanomboka nianatra ny Soratra Ma-sina i Dumas, ka nesoesoiko. Nihainomangingina tao an’efitra ilany anefaaho rehefa nianatra izy. Reko novakinaizao andinin-teny izao, indray andro:‘Aoka ny vehivavy hanaiky ny vadi-ny, toy ny anekeny ny Tompo ... Aokany vehivavy hanaja fatratra ny vadi-ny.’ (Efesianina 5:22, 33) Nanohina nyfoko izany, ka nangata-pamelana tamin’Andriamanitra aho, noho izaho nampi-jaly ny vadiko. Niangaviako Andriama-nitra mba hanampy ahy ho lasa vadytsara. Niara-nianatra ny Soratra Masinaizahay sy Dumas, taoriana kelin’izay.”

Milaza koa ny Soratra Masina fa toko-ny ho ‘tia ny vadiny tahaka ny tenany’

ny lehilahy. (Efesianina 5:28) Hoy ihanyi Sumiatun: “Nanova anay mivady nynahalala izany rehetra izany. Nanombo-ka nandroso dite ho an’i Dumas aho isa-ky ny avy niasa izy. Niezaka ho tsarafanahy koa aho rehefa niresaka taminy.Lasa nampiseho fitiavana tamiko koai Dumas, sady nanampy ahy tamin’ny raharaha tao an-trano. Niezaka ‘hotsara fanahy’ izahay, ‘ka hangoraka syhifamela heloka tanteraka.’ (Efesianina4:32) Nihanifankatia sy nifanaja izahay.Efa 40 taona mahery izao izahay nomanana tokantrano sambatra. Ny toro-hevitry ny Tenin’Andriamanitra no na-navotra ny tokantranonay!”

Mahafehy fahatezerana

“Nahery setra aho”, hoy i Tayib.“Imbetsaka aho no niady, ary matetikano nambanako basy ny olona. Mpamo-no vady koa aho, ka nataoko nitsiraratamin’ny tany mihitsy i Kustriyah vadi-

3 Torohevitra Mahasoa

Dumas sySumiatun

6 NY TENA FINOANA

ko rehefa tezitra aho. Natahoran’ny olo-na aho.

“Namaky an’izao tenin’i Jesosy izaoaho, indray andro: ‘Omeko didy vaovaoianareo, dia ny mba hifankatiavanareotoy ny nitiavako anareo.’ (Jaona 13:34)Tena nanohina ny foko izany, ka tapa-kevitra aho fa hiova. Rehefa nanombo-ka ho tezitra aho, dia nivavaka mba hotony, ka nisinda ny fahatezerako. Nara-hinay mivady ilay torohevitra ao amin’ny Efesianina 4:26, 27 hoe: ‘Aza avela hotratran’ny masoandro milentika ny fa-hatezeranareo, ary aza omena toeranany Devoly.’ Niara-namaky ny SoratraMasina sy niara-nivavaka izahay isan-kariva. Nampisinda ny sorisory izany,ary nampifankatia anay kokoa.

“Mifandray tsara amin’olona ahoizao. Tia sy manaja ahy ny vady aman-janako. Mana-namana betsaka aho, arymahatsiaro ho akaiky an’Andriamani-tra. Tena sambatra aho.”

Tsy nandevozin’ny zava-mahadomelinaintsony

“Anisan’ny andian-jiolahy aho, arytanora daholo izahay. Mpifoka be symamo lava aho, ary nandry an-tatatramatetika”, hoy i Goin. “Nampiasa synivarotra zava-mahadomelina koa aho.Nanao akanjo tsy laitran’ny bala aho,ary tao no nafeniko ilay izy. Modyniseho ho mafy be aho, nefa natahotrafoana, raha ny marina.

“Nisy nampiseho ahy an’ilay andi-nin-teny hoe: ‘Anaka, aza manadino nylalako, fa ho lava andro sy ho maro tao-na iainana ianao ary hiadana.’ (Oha-bolana 3:1, 2) Tena tiako ny ho elavelona sy hiadana! Izao koa no no-vakiko: ‘Koa satria nahazo izany fa-mpanantenana izany isika, ry malala,

Miara-mivavaka i Kustriyahsy Tayib isan-kariva

Goin

NY TENA FINOANA 7

dia aoka isika hanadio ny tenantsika hoafaka amin’ny zava-drehetra mandotony nofo sy ny saina, ka hanao izayhahatonga lafatra ny fahamasinana aoamin’ny fahatahorana an’Andriamani-tra.’ (2 Korintianina 7:1) Tsy nikasikazava-mahadomelina intsony ary aho,niala tamin’ilay andian-jiolahy, ary na-nompo an’Andriamanitra.

“Efa 17 taona mahery izao no tsy ni-kasihako zava-mahadomelina. Salamaaho, ary sambatra izahay mianakavy.Mana-namana tsara aho, ary milami-na ny eritreritro. Tsy mandry an-tatatraintsony aho, fa matory tsara ao am-pa-ndriana isan’alina.”

Tsy manavakavaka intsony

“Mpanao heloka bevava aho tamin’izaho tanora”, hoy i Bambang. “Halakony olona avy amin’ny foko iray vitsy an’isa, ary ireny no tena nataoko nitondrafaisana.

“Nanomboka nitady an’Andriamani-tra anefa aho taty aoriana, ka nahi-

ta olona maromaro niara-nandinika nySoratra Masina. Anisan’ilay foko halakony olona sasany tao, nefa nandray ahytsara ry zareo! Hitako koa fa tsy nifa-mpihafahafa sy falifaly ny rehetra, nasamy hafa foko aza. Gaga aho! Azokoamin’izay ny hevitr’ilay andinin-tenyhoe: ‘Tsy mizaha tavan’olona Andria-manitra, fa amin’ny firenena rehetra,izay olona matahotra azy ka manaony marina no ankasitrahany.’—Asan’nyApostoly 10:34, 35.

“Tsy manavakavaka intsony aho izao.Misy namako be ny olona avy amin’ilayfoko halako taloha. Ny Soratra Masinano nampianaran’Andriamanitra ahy hotia olona.”

Tsy mahery setra intsony

“Intelo nigadra aho tamin’izaho ta-nora, satria indroa nangalatra, aryindray mandeha koa nanindronaantsy olona”, hoy i Garoga. “Anisan’ny andian’olona mpikomy aho taty ao-riana, ka namono olona maro. Lasalehiben’ny andian-jiolahy aho rehefa

Faly i Bambang izao mifandraytsara amin’ny olona hafa foko

nifarana ny ady. Nanana mpiambinamanokana aho, ary niaraka tamiko foa-na izy ireo. Olona nahery setra sy naha-vanon-doza aho.

“Nisy an’izao andinin-teny izao nova-kiko, indray andro: ‘Ny fitiavana maha-ri-po sy tsara fanahy. Ny fitiavana tsymialona, tsy mirehareha, tsy mieboe-bo, tsy manao izay tsy mahamendri-ka, tsy mitady izay hahasoa ny tenany,tsy mora tezitra, tsy mitana lolompo.’(1 Korintianina 13:4, 5) Nanohina nyfoko izany. Nifindra trano aho, ary nia-natra ny Soratra Masina sy nanaraka nytorohevitra ao.

“Tsy mahery setra intsony aho izao.Mampianatra ny Soratra Masina aho,ary hajain’ny olona. Tena misy dikanysy mahafa-po ny fiainako.”

Mahery ny Tenin’Andriamanitra

Hita amin’ireo tantara ireo sy nymaro tsy tambo isaina, fa “velona symahery ny Tenin’Andriamanitra.” (He-breo 4:12) Tsotra ny torohevitra ao,nefa tsara sy mahasoa.

Afaka manampy anao koa ny SoratraMasina, na inona na inona olana maha-

zo anao. “Ny Soratra Masina iray mano-ntolo dia avy amin’ny herin’ny fana-hy masin’Andriamanitra, ary mahasoamba hampianarana, hananarana, hani-tsiana izay diso, hanafaizana araka nyfahamarinana, mba hahatonga ny olon’Andriamanitra ho tena mahay sy hoampy fitaovana tsara ho amin’ny asatsara rehetra.”—2 Timoty 3:16, 17.

Andao handinika fampianarana foto-tra vitsivitsy ao amin’ny Soratra Masina.

Ahoana ny Hevitrao?

˙ Iza amin’ireo tantara ireo notena tianao? Nahoana?

˙ Lafiny inona amin’ny fiainanaono azon’ny Soratra Masinaanampiana anao?

Tsy mahery setra intsonyi Garoga. Mampianatra nyTenin’Andriamanitra izy izao,ary hajain’ny olona

NY TENA FINOANA 9

MARO ny andriamanitra ivavahan’ny olo-na. Asehon’ny Soratra Masina anefa fa irayihany ny tena Andriamanitra. Tsy misy toaazy sy avo indrindra izy, ary maharitramandrakizay. Namorona ny zava-drehetraany an-danitra sy ety an-tany izy, ary izyno nampisy antsika. Izy ihany ary no me-ndrika hotompointsika.

Samy iantsoana an’Andriamanitra da-holo ny hoe Tompo, Zanahary, sy ny sisa.Iray ihany anefa ny tena anarany, dia nyhoe JEHOVAH. Hoy izy tamin’i Mosesy:“Izao no holazainao amin’ny zanak’Israe-ly: ‘Jehovah Andriamanitry ny razanareo,dia Andriamanitr’i Abrahama sy Andria-manitr’i Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba,no naniraka ahy ho aty aminareo.’ Izanyno anarako mandritra ny fotoana tsy voa-fetra, sy hahatsiarovana ahy hatramin’nytaranaka fara mandimby.” (Eksodosy 3:15)Hita im-7000 eo ho eo ny anarana hoe Je-hovah, ao amin’ny Soratra Masina. La-zain’ny Salamo 83:18 fa tsy misy afa-tsyilay Andriamanitra “manana anarana hoeJehovah, no Avo Indrindra ambonin’nytany manontolo!”

Tsy nisy olona nahita an’Andriamani-tra. Hoy izy tamin’i Mosesy: “Tsy afakamahita ny tavako ianao, satria tsy misyolona afaka mahita ahy ka mbola ho velo-na ihany.” (Eksodosy 33:20) Any an-dani-tra Andriamanitra, ary tsy hita maso. Tsymety ny manao sarin’Andriamanitra nasarivongana ka mivavaka amin’izany. Izaono didin’i Jehovah Andriamanitra nampi-tainy tamin’i Mosesy mpaminany: “Azamanao sary sokitra ho anao, na bikabikan-javatra mitovy amin’izay eny amin’ny la-nitra ambony, na izay ety amin’ny tanyambany, na izay any anaty rano ambanin’ny tany. Aza miankohoka eo anatrehan’

ireny, na manaiky ho voatarika hanompoazy, fa izaho Jehovah Andriamanitrao diaAndriamanitra mitaky ny hanompoanaahy irery ihany.” (Eksodosy 20:2-5) Hoyizy, taty aoriana, tamin’ny alalan’i Isaiampaminany: “Izaho no Jehovah! Izany noanarako. Koa ny voninahitro tsy homekony hafa, ary ny fiderana ahy tsy homekoho an’ny sary sokitra.”—Isaia 42:8.

Mino an’Andriamanitra ny olona sasa-ny, saingy mihevitra fa tsy ho takatry nysain’olombelona ny momba azy, sarotrahatonina izy ary mampahatahotra fa tsymahasarika. Ahoana kosa no fiheveranaoazy? Tia anao ve izy? Tena afaka mahalalaazy ve ianao, ary hanatona azy mihitsyaza? Andao hodinihintsika izay lazain’nySoratra Masina momba ny toetrany.

4 Iza moa Andriamanitra?

Ny anaran’Andriamanitra aoamin’ny soratra masina, eo amin’nyHoronam-bokin’ny Ranomasina Maty

10 NY TENA FINOANA

Ahoana no Havalinao?

˙ Nahoana isika no tokonyhanompo an’Andriamanitra?

˙ Iza no anaran’Andriamanitra?

˙ Nahoana isika no tsy tokonyhampiasa sary na sarivonganarehefa mivavaka?

˙ Ahoana no ampiasany ny fanahymasina sy ny anjely mbahanatanterahana nysitrapony?

Nomena tamin’ny alalan’i Mosesympaminany ny Lal

`ana, ary nolazaina

hoe “teny nampilazaina ny anjely”

Ahoana no anatanterahan’Andriamanitra ny sitrapony? Mandefa nyfanahiny masina izy. Tsy zavamananainaafaka misaina ny fanahy masina ary tsyanjely koa, fa hery tsy hita masoampiasain’Andriamanitra, izany hoe herytsy manam-petra alefany mbahanatanterahana an’izay tiany hatao.Nampiasa an’io hery io izy mbahamoronana ny lanitra sy ny tany. “Nytenin’i Jehovah no nampisy ny lanitra,ary ny fofonain’ny vavany [izany hoe nyfanahiny masina] no nampisy nyzava-drehetra eny.” (Salamo 33:6)Tamin’ny tany mbola rakotra rano synokarakaraina mba honenan’ny olona,dia “nivezivezy teny ambonin’ny ranony hery ampiasain’Andriamanitra.”(Genesisy 1:2) Nampiasa ny fanahinymasina Andriamanitra avy eo, mbahamoronana ny zava-drehetra etoan-tany.

Mampiasa anjely koa Andriamanitramba hanatanterahana ny sitrapony.Noforoniny hiara-miaina aminy anyan-danitra izy ireo. Matanjaka be nyanjely. Milaza hafatr’Andriamanitra izyireo, ary manao asa lehibe hafa. “Tenynampilazaina ny anjely”, ohatra, noilazan’ny Soratra Masina ny Lal

`ana

nomena tamin’ny alalan’i Mosesympaminany. Manampy ny mpanompon’Andriamanitra eto an-tany koa ny anjely.Antsoin’ny Soratra Masina hoe “fanahymanao fanompoana ho an’nybesinimaro” izy ireo, ka “irahinahikarakara an’ireo handova famonjena.”—Hebreo 1:14; 2:2.

Ny Fanahy Masinasy ny Anjely

NY TENA FINOANA 11

VOALAZAN’NY Soratra Masina ireo toe-tra mahatalanjon’Andriamanitra, ka afakamahalala azy isika. Voalaza ao, ohatra, ire-to toetrany lehibe efatra ireto, dia ny hoemahery izy, manao ny rariny, hendry, arybe fitiavana. Andeha hodinihintsika tsirai-ray ireo.

Tsy misy fetra ny heriny

Hoy i Jehovah tamin’i Abrahama: “Iza-ho no Andriamanitra Mahery Indrindra.”(Genesisy 17:1) Tsy manan-tsahala sy tsymisy fetra ary tsy mety lany ny heriny. Nyheriny no namoronany an’izao rehetraizao.

Tsy manampatra ny heriny mihitsyAndriamanitra. Voalanjalanja foana ny fa-mpiasany ny heriny, ary tsy mampiasa azyio tsy amin’antony izy. Hainy tsara nymampifandanja ny heriny amin’ny fahe-ndreny sy ny fitiavany ary ny fanaovanyny rariny.

Vonona foana hampiasa ny heriny ha-nampiana ny mpanompony i Jehovah.“Ny mason’i Jehovah dia mijery eny rehe-tra eny manerana ny tany, mba hanehoa-ny ny heriny hamonjena izay mifikitraaminy amin’ny fo manontolo.” (2 Tanta-ra 16:9) Mahery tokoa izy nefa tia mana-mpy. Tsy Andriamanitra toy izany ve notianao hotompoina?

Andriamanitra manao ny rariny

“Tia rariny i Jehovah.” (Salamo 37:28)Manao ny rariny sy ny hitsiny foana izy,ary manaraka ny fitsipika lavorary na-taony.

Halany ny tsy rariny. “Tsy miangatraamin’iza na iza” izy, “ary tsy mandray ko-

likoly.” (Deoteronomia 10:17) Manohitraan’ireo mampahory ny hafa izy, fa miaroan’ireo tsy manan-kamonjy, toy “ny vehi-vavy mpitondratena na ny kamboty ray.”(Eksodosy 22:22) Aminy dia mitovy nyolona rehetra. “Tsy mizaha tavan’olonaAndriamanitra, fa amin’ny firenena rehe-tra, izay olona matahotra azy ka manao nymarina no ankasitrahany.”—Asan’ny Apo-stoly 10:34, 35.

Voalanjalanja tsara ny fanaovany ny ra-riny. Tsy milefitra loatra izy, nefa koa tsymasiaka loatra. Manasazy an’ireo mpanaoratsy tsy mibebaka izy, fa mamindra foamin’ireo mibebaka kosa. “Mamindra fosy tsara fanahy i Jehovah, tsy mora tezitrasady be hatsaram-panahy feno fitiavana.Tsy hamerimberina hanameloka antsikafoana noho ny fahadisoantsika izy, na ha-nao an-dolompo mandritra ny fotoana tsyvoafetra. Tsy mamaly antsika araka ny fa-hotantsika izy, na mamaly ny fahadisoa-ntsika, araka izay tokony ho sahaza antsi-ka.” (Salamo 103:8-10) Tsaroany koa nytsara nataon’ny mpanompony, ka mama-ly soa azy ireny izy. Tsy hitanao hoe me-ndrika hitokisana ve ny Andriamanitramanao ny rariny toy izany?

5 Tsy Manan-tsahala IreoToetran’Andriamanitra

Tena maheryAndriamanitra

12 NY TENA FINOANA

Andriamanitra hendry

Avy amin’i Jehovah ny tena fahendrena. “Lalinatokoa ny harenan’Andriamanitra sy ny fahendrenyary ny fahalalany!” (Romanina 11:33) Tsy manan-tsahala ny fahendreny sady tsy manam-petra.

Hita eo amin’ny zavaboary ny fahendren’Andri-amanitra. Hoy ny mpanao salamo: “Maro be tokoany zava-bitanao, Jehovah o! Tamim-pahendrenano nanaovanao azy rehetra.”—Salamo 104:24.

Hita ao amin’ny Soratra Masina koa ny fahe-ndren’Andriamanitra. Hoy i Davida Mpanjaka:“Azo itokisana ny fampahatsiahivan’i Jehovah, ma-mpahahendry an’izay mbola tsy dia nandia fiaina-na.” (Salamo 19:7) Eritrereto ange e! Tsy misy fetrany fahendren’Andriamanitra, ary afaka mandraysoa feno avy amin’izany ianao. Tsy hitanao hoe tsa-ra hararaotina ve izany?

“Andriamanitra dia fitiavana”

Ny fitiavana no tena toetran’i Jehovah. Milaza nySoratra Masina hoe: “Andriamanitra dia fitiavana.”(1 Jaona 4:8) Ny fitiavana no mibaiko azy amin’izayrehetra ataony.

Tsy mizaha tavan’olonaAndriamanitra

Miaiky isika famanam-pahendrena tokoaAndriamanitra raha jerena

ny zavatra nataony

Hita ao amin’nySoratra Masina ny

fahendren’Andriamanitra

Maro be ny porofo fa tia antsika Andria-manitra. Be dia be, ohatra, ny zava-tsoaomeny antsika. “Nanao soa” izy, “ka nano-me anareo ranonorana avy eny amin’ny la-nitra sy taon-jina, ary nahavoky ny fonareotamin’ny hanina sy ny fifaliana.” (Asan’nyApostoly 14:17) “Avy any ambony” tokoa“ny fanomezana tsara rehetra sy ny fano-mezana tonga lafatra rehetra, satria midinaavy any amin’ny Rain’ny fahazavana enyamin’ny lanitra izany.” (Jakoba 1:17) Fano-mezana sarobidy avy aminy ny Soratra Ma-sina, ary izy io no ampahafantarany antsi-ka ny marina momba azy, sy ampianaranyantsika ny lalany sy ny fitsipiny feno fitia-vana. “Ny teninao no fahamarinana”, hoyi Jesosy rehefa nivavaka.—Jaona 17:17.

Manampy antsika koa Andriamanitra re-hefa tojo olana isika. “Apetraho amin’i Je-hovah izay manavesatra anao, fa izy no ha-nohana anao. Tsy havelany hangozohozomihitsy ny olo-marina.” (Salamo 55:22)Mamela ny helotsika izy. “Tsara toetra syvonona hamela heloka ianao, Jehovah o,sady tena tsara fanahy sy be fitiavana amin’izay rehetra miantso anao.” (Salamo 86:5)Vonona hanome antsika fiainana mandra-kizay mihitsy aza izy. “Hofafany ny rano-maso rehetra amin’ny mason’izy ireo, katsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisyintsony ny alahelo na ny fitarainana na nyfanaintainana.” (Apokalypsy 21:4) Inonano hataonao ho valin’ny fitiavan’Andria-manitra? Ho tia azy koa ve ianao?

Manat`ona an’Andriamanitra

Tian’Andriamanitra hahalala azy tsaraianao. Hoy ny Teniny: “Manatona an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.”(Jakoba 4:8) Nantsoiny hoe “namako” iAbrahama mpaminany tsy nivadika. (Isaia41:8) Tian’i Jehovah ho namany koa ia-nao.

Mianara misimisy kokoa momba an’Andriamanitra, dia ho tsapanao fa vaomainka ianao ho akaiky azy sy ho samba-tra. “Sambatra ny olona” raha “ny lalan’iJehovah no mahafinaritra azy, eny, ny la-lany no vakiny moramora andro aman’alina.” (Salamo 1:1, 2) Ianaro foana aryny Soratra Masina. Saintsaino ny toetran’Andriamanitra sy ny zavatra nataony. Ase-hoy fa tia azy ianao ka ampiharo izayianaranao. “Izao no fitiavana an’Andria-manitra, dia ny hitandremantsika ny didi-ny. Tsy mavesatra anefa ny didiny.” (1 Jao-na 5:3) Tahafo ilay mpanao salamo, kamivavaha hoe: “Ampahafantaro ahy ny la-lanao, Jehovah o, ampianaro ahy ny lala-nao. Ampandehano amin’ny fahamarina-nao aho.” (Salamo 25:4, 5) Ho hitanaofa “tsy lavitra antsika tsirairay” Andriama-nitra.—Asan’ny Apostoly 17:27.

Ahoana ny Hevitrao?

˙ Inona no toetran’Andriamanitramahafinaritra anao indrindra?Nahoana?

˙ Ahoana no azonao anatonanaan’Andriamanitra?

Ho akaikyan’Andriamanitra

ianao raha mivavakasy misaintsainaan’ireo toetrany

15

NAMORONA ny tany Andria-manitra mba ho fonenana tonga

lafatra ho an’ny olona. Hoy ny Teni-ny: “Ny lanitra dia an’i Jehovah, fa nytany kosa nomeny ho an’ny zanak’olo-mbelona.”—Salamo 115:16.

Nifidy faritra kely teto an-tany Andri-amanitra talohan’ny namoronany an’iAdama, ilay lehilahy voalohany. Na-ntsoiny hoe Edena io faritra io, ary na-siany zaridaina tsara tarehy tao. Milazany Soratra Masina fa avy tao Edena nonipoiran’ny reniranon’i Eofrata sy Ti-gra (Hidekela).� Toa tany amin’ny fari-tra atsinanan’i Torkia no nisy an’i Ede-na. Tena nisy teto an-tany tokoa izy io!

Noforonin’Andriamanitra i Adama,ary napetrany tao amin’ny zaridainan’i Edena “mba hiasa sy hikarakara” azyio. (Genesisy 2:15) Namorona an’i EvaAndriamanitra taty aoriana, mba hovadin’i Adama. Hoy izy tamin’izy mi-vady: “Manana taranaka, ary mihabe-tsaha ka mamenoa ny tany. Anjakao nytany.” (Genesisy 1:28) “Tsy hoe tsymisy antony” tokoa ny namoronanyny tany, fa “nataony honenana.”—Isaia45:18.

Nikomy tamin’Andriamanitra anefai Adama sy Eva, satria ninia nandika

� Hoy ny Genesisy 2:10-14: “Nisy renirano nivoa-ka avy tao Edena mba hanondraka ilay zaridaina, aryavy teo izy io no nizara ka nisampana efatra. Pisonano anaran’ny voalohany ... Gihona no anaran’ny re-nirano faharoa ... Hidekela [na Tigra] no anaran’nyrenirano fahatelo: Izy io no mankany atsinanan’iAsyria. Ary i Eofrata no renirano fahefatra.” Tsy fanta-tra ny toerana nisy ireo renirano roa voalohany sy nymomba azy.

ny lalany. Noroahin’Andriamanitra avytao Edena ary izy ireo. Nafoy ilay Para-disa. Tsy izay ihany anefa no vokatry nyfahotan’i Adama. Hoy ny Soratra Masi-na: “Avy tamin’ny olona iray ... no nidi-ran’ny ota ho amin’izao tontolo izao,ary avy tamin’ny ota no nidiran’nyfahafatesana, ka niely tamin’ny olonarehetra ny fahafatesana, satria samy efananota izy rehetra.”—Romanina 5:12.

Vita hatreo ve ilay fikasan’i Jeho-vah hoe ho paradisa honenan’ny olonasambatra ny tany? Tsia! Hoy mantsyizy: ‘Tsy hiverim-potsiny aty amiko nyteny aloaky ny vavako, fa hanatantera-ka izay sitrako ary hahomby amin’izayandefasako azy.’ (Isaia 55:11) Tsy mai-ntsy ho lasa paradisa ary ny tany!

Hanao ahoana ny fiainana ao amin’ny Paradisa? Diniho ireo fampanante-nan’ny Soratra Masina, ao amin’nypejy roa manaraka.

6 Nahoana Andriamanitrano Namorona ny Tany?

Ahoana no Havalinao?

˙ Nahoana Andriamanitra nonamorona ny tany sy nyolombelona?

˙ Ahoana no ahafantarantsika fahotanterahin’Andriamanitraizany fikasany izany?

Hatsangana ny maty: ‘Handre ny feonyizay rehetra any am-pasana, dia hivoaka.’—Jaona 5:28, 29.

Tsy hisy ho antitra na ho ki-lemaina na ho faty intsony:“Tsy hisy mponina hilaza hoe:‘Marary aho.’ ” (Isaia 33:24)Hofafan’Andriamanitra “nyranomaso rehetra amin’nymason’izy ireo, ka tsy hisy fa-hafatesana intsony, sady tsyhisy intsony ny alahelo na nyfitarainana na ny fanaintaina-na.”—Apokalypsy 21:4.

Sakafo tsara be dia be:“Hahavokatra tokoa ny tany. Hitahyantsika Andriamanitra, eny, ilayAndriamanitsika.”—Salamo 67:6.

17

Ho Lasa Paradisa ny Tany

Trano tsara sy asa mahafa-po: ‘Hanaotrano ny olona ka honina ao. Hanaram-poamin’ny asan’ny tanany ny olom-boafidiko.’—Isaia 65:21, 22.

Tsy hisy ady na heloka bevava naherisetra intsony: “Mampitsahatraady hatrany amin’ny faran’ny tany”i Jehovah. (Salamo 46:9) ‘Ny ratsy fa-nahy ho ringana tsy ho amin’ny tany.’—Ohabolana 2:22.

NINO an’Andriamanitra ireo mpamina-ny, ka natoky ny fampanantenany sy na-mpifantoka ny fiainany tamin’izany. Ino-na avy izany fampanantenana izany?

Vao nikomy i Adama sy Eva tao Edena,dia efa nampanantena Andriamanitra fahanendry olona hanorotoro ny lohan’ilay “menarana”, izany hoe “ilay dragonalehibe, ilay menarana tany am-boaloha-ny, ilay antsoina hoe Devoly sy Satana”,ka handringana azy mandrakizay. (Gene-sisy 3:14, 15; Apokalypsy 12:9, 12) Iza aryIlay ho avy?

Roa arivo taona teo ho eo taorian’io fa-minaniana voalohany io, dia nampana-ntena an’i Abrahama i Jehovah fa ho ani-san’ny taranany Ilay ho avy. Hoy mantsyizy tamin’i Abrahama: “Ny firenena rehe-tra eny ambonin’ny tany dia hanao izayhahazoany fitahiana amin’ny alalan’nytaranakao, satria nihaino ny teniko ia-nao.”—Genesisy 22:18.

Nanazava misimisy kokoa momba io‘taranaka’ io tamin’i Mosesy mpaminanyAndriamanitra, tamin’ny 1473 Talohan’iKristy (T.K.). Hoy i Mosesy tamin’ny za-nak’Israely: “Mpaminany avy eo aminao,avy eo amin’ny rahalahinao, eny, mpami-nany toa ahy, no hotendren’i JehovahAndriamanitrao ho anao. Izy no tokonyhohenoinao.” (Deoteronomia 18:15) Hoavy amin’ny taranak’i Abrahama ary ilaympaminany toa an’i Mosesy.

Ho avy amin’ny taranak’i Davida Mpa-njaka koa io mpaminany io, ary ho lasampanjaka malaza. Nampanantena an’i Davida Andriamanitra hoe: ‘Hotendre-ko ny taranaka handimby anao. Hataokomafy orina mandritra ny fotoana tsy voa-fetra ny seza fiandrianan’ny fanjakany.’(2 Samoela 7:12, 13) Nilaza koa izy fa ha-ntsoina hoe “Andrianan’ny Fiadanana”io taranak’i Davida io. Hoy koa izy: “Tsyhanam-pahataperana izany fahefana le-

7 Inona no FampanantenanaNambara Tamin’ny Mpaminany?

Ilay ‘taranaka’ nampanantenaina dia...

ho avy amin’nytaranak’iAbrahama

ho mpaminanytoa an’i Mosesy

18 NY TENA FINOANA

hibe ananany izany ary tsy hisy faranykoa ny fiadanana, eo amin’ny seza fia-ndrianan’i Davida sy ny fanjakany. Homafy orina izy io, ary ny rariny sy ny hi-tsiny no hampitoetra azy, manombokaizao ka hatramin’ny fotoana tsy voafetra.”(Isaia 9:6, 7) Manao ny rariny io Mpitari-ka io, ary hampanjaka ny fiadanana sy nyrariny eran-tany. Rahoviana anefa izy noho tonga?

Taty aoriana, dia nilaza tamin’i Danie-la mpaminany ny anjely Gabriela hoe:“Aoka ho fantatrao sy ho azonao tsara famanomboka amin’ny fotoana hivoahan’ny didy hanarenana an’i Jerosalema syhanamboarana azy, mandra-pahatongan’ny Mesia Mpitarika, dia hisy fito herina-ndro sy roa amby enimpolo herinandro.”(Daniela 9:25) Maharitra 483 taona ireo69 herinandron-taona ireo, satria misy7 taona avy. Nanomboka tamin’ny taona455 T.K. izy ireo, ary nifarana tamin’ny 29 Aorian’i Kristy (A.K.).�

� Jereo ny pejy 197-199 amin’ny boky Inona Mari-na no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolo-mbelon’i Jehovah.

Tonga tamin’ny taona 29 A.K. tokoa veilay Mesia, izany hoe ilay mpaminany toaan’i Mosesy sy ‘taranaka’ nandrasana ha-try ny ela? Andao hofantarintsika.

Ahoana no Havalinao?

˙ Inona no hataon’ilay taranak’iAbrahama amin’i Satana?

˙ Inona no fampanantenananolazain’Andriamanitra tamin’iMosesy?

˙ Inona no nolazaina tamin’iDavida momba ilay ‘taranaka’?

˙ Inona no nolazain’ny anjelyGabriela tamin’i Daniela?

ho avy amin’nytaranak’i Davida

ho tonga amin’ny taona 29

hanorotoro an’ilay menarana,izany hoe i Satana

NISEHO tamin’ny tovovavy virjiny ataohoe Maria ny anjely Gabriela, 500 tao-na mahery taorian’ny naminanian’iDaniela. Taranak’i Davida Mpanjaka iotovovavy io. Hoy i Gabriela taminy:“Arahaba, ry ilay ankasitrahana indri-ndra. Jehovah momba anao.” (Lioka1:28) Natahotra anefa izy. Inona no di-kan’izany fiarahaban’i Gabriela izany?

“Aza matahotra, ry Maria”, hoy i Ga-briela, ‘fa efa nankasitrahan’Andriama-nitra ianao. Ary hitoe-jaza ianao ka hite-raka zazalahy, ary ny anarany hataonaohoe Jesosy. I Jehovah Andriamanitra ha-nome azy ny seza fiandrianan’i Davidarainy. Ary tsy hifarana mihitsy ny fanja-kany.’ (Lioka 1:30-33) Tena vaovao tsa-ra izany! I Maria no hiteraka an’ilay Me-sia, ilay “taranaka” nandrasana hatry nyela!

Teraka tany Betlehema i Jesosy, nytaona nanaraka. Nisy mpiandry ondrytany, tamin’ilay alina nahaterahany, kahoy ny anjely iray tamin’izy ireo: “Hila-za vaovao tsara aminareo aho, dia fifa-liana lehibe ... Fa Mpamonjy no tera-ka ho anareo androany ao an-tananan’iDavida, dia i Kristy Tompo.” (Lioka 2:10, 11) Inona no nitranga taty aoriana?Nifindra tany Nazareta i Jesosy sy ny fia-nakaviany, ary tany izy no lehibe.

Lasa mpaminanin’Andriamanitra i Je-sosy tamin’ny taona 29, ilay taona toko-ny hahatongavan’ny Mesia. “Telopolotaona teo ho eo” i Jesosy tamin’izay.(Lioka 3:23) Olona maro no niaiky fanirahin’Andriamanitra izy. Hoy izy ireo:“Mpaminany lehibe no efa mitsanganaeto amintsika.” (Lioka 7:16, 17) Inonaanefa no nampianarin’i Jesosy?

Nampianatra ny olona ho tia sy hano-mpo an’Andriamanitra i Jesosy. Hoy izy:“Jehovah Andriamanitsika dia Jehovahiray ihany. Koa tiavo i Jehovah Andria-manitrao amin’ny fonao manontolo syny tenanao manontolo sy ny sainaomanontolo ary ny herinao manonto-lo.” (Marka 12:29, 30) Hoy koa izy: “I Je-hovah Andriamanitrao no tsy maintsyiankohofanao, ary ho azy irery ihanyno tsy maintsy anaovanao fanompoanamasina.”—Lioka 4:8.

Nampirisika ny olona hifankatia i Jesosy.“Tiavo ny namanao tahaka ny tena-nao”, hoy izy. (Marka 12:31) Hoy koaizy: “Izay rehetra tianareo hataon’nyolona aminareo ... dia mba ataovy ami-ny koa. Izany, raha ny marina, no tian’ny Lalana sy ny Mpaminany hambara.”—Matio 7:12.

8 Tonga ny Mesia

Nilaza tamin’i Mariai Gabriela fa hiteraka

ny Mesia izy

20 NY TENA FINOANA

Samy midika hoe “Voahosotra” na voatendrin’Andriamanitrany hoe “Mesia” sy “Kristy.” Andriamanitra no nanome aina an’iJesosy, ilay Mesia. Nanao fahagagana lehibe izy ka nataonyizay hahatonga an’i Maria hiteraka an’i Jesosy, nefa tsy nilaray olombelona.

Nahoana no maro be no nino an’i Jesosy? Ireto misy antonyvitsivitsy:

˙ Nataony nifototra tamin’ny Soratra Masina ny fampianarany.

˙ Nahasarika olona tia fahamarinana sy rariny nyfampianarany sy ny modely nomeny.

˙ Nanao fahagagana maro izy noho ny herin’Andriamanitra.

˙ Nanatanteraka faminaniana maro ao amin’ny SoratraMasina izy.

Nahoana i Jesosy no Atao hoe “Mesia”?

Nafana fo er`y izy niresaka momba ny

Fanjakan’Andriamanitra. Hoy izy: ‘Tsymaintsy mitory ny vaovao tsaran’ny fa-njakan’Andriamanitra aho, fa izany nonanirahana ahy.’ (Lioka 4:43) Nahoanano tena zava-dehibe ny Fanjakan’Andri-amanitra?

Hazavain’ny Soratra Masina fa fito-ndram-panjakana any an-danitra ny Fa-njakan’Andriamanitra, ary hitondra nytany izy io. I Jesosy, ilay Mesia, no no-tendren’Andriamanitra ho Mpanjakan’izy io. Hitan’i Daniela mialoha fa hano-me “ny fitondrana sy ny voninahitraary ny fanjakana” an’io Mesia io Andri-amanitra, any an-danitra. (Daniela 7:14)Io Fanjakana io no hanova ny tanyho Paradisa, ary hanome fiainana ma-ndrakizay ho valisoan’ny mpanompon’Andriamanitra. Tena vaovao tsara tokoaizany!

Ahoana no Havalinao?

˙ Inona no nolazain’ny anjelyGabriela tamin’i Maria?

˙ Inona no faminaniana tanterakatamin’ny taona 29?

˙ Inona no nampianarin’i Jesosy?

˙ Inona no atao hoeFanjakan’Andriamanitra,ary inona no hataony?

NY TENA FINOANA 21

NILAZA mialoha Andriamanitra fa ho-tendreny ho Mpitarika ny firenena re-hetra ny Mesia. Fantany hoe mpitarikahoatran’ny ahoana no tena ilaintsika,ka ilay tsara indrindra no nofidiny. Mpi-tarika manao ahoana tokoa ny Mesia?Jeneraly mahay ve, sa mpanao politikaikoizana, sa filozofa lalin-tsaina? Ase-hon’ny Soratra Masina fa mpaminanymiavaka ilay Mesia, izany hoe i JesosyKristy.—Matio 23:10.

Narovan’Andriamanitra i Jesosy mbaho lavorary sy masina rehefa teraka.Niezaka mafy hampivadika an’i Jesosy iSatana, nefa notoheriny foana izany.Na tamin’ny teniny na tamin’ny natao-ny, dia nanahaka tanteraka ny toetran’Andriamanitra izy, anisan’izany ny fa-haiza-mampiasa ny hery, fanaovana nyrariny, fahendrena, ary fitiavana. Inonano azontsika ianarana avy amin’ny mo-dely nomen’i Jesosy?

Nampiasainy hanampiana ny hafa ny herynomen’Andriamanitra azy. Tena tia olonai Jesosy, ka vonona foana hampiasa nyheriny hanampiana ny hafa. ‘Mampala-helo ahy ny vahoaka, fa tsy manan-ko-hanina’, hoy izy. (Marka 8:2) Nanaofahagagana ary izy mba hanan-kohani-na ny vahoaka be tonga hihaino azy.

Nitety toerana maro koa i Jesosy kanampianatra sy “nanasitrana ny kara-zan’aretina rehetra sy ny karazana kile-ma rehetra, teo amin’ny vahoaka.” (Ma-tio 4:23) Tsy mahagaga raha maro nonanaraka azy. “Nitady hikasika azy nyvahoaka rehetra, satria nisy hery nia-la taminy ka nahasitrana azy rehetra.”(Lioka 6:19) “Tsy tonga mba hotompoi-

na” tokoa i Jesosy, “fa mba hanompo,ka hanome ny ainy ho vidim-panavota-na ho takalon’ny maro.” (Matio 20:28)�Firy amin’ny olombelona mpitarika nomahafoy tena toy izany?

Manao ny rariny toa an’Andriamanitra izy.Nankato tanteraka ny lalan’Andriama-nitra izy, nefa tsy hoe nankato befahata-ny fotsiny fa nitadidy ny antony nanao-vana ilay lalana. Toy ny hoe nilaza toyizao izy, araka ny efa nambaran’ny So-ratra Masina: “Ny manao ny sitraponaono mahafinaritra ahy, Andriamanitra o,ary ato anatiko ny lalanao.” (Salamo40:8) Nanahaka an’Andriamanitra izyka tsy nanavakavaka fa nanaja ny olon-drehetra, na ny mahantra na ny mana-na, na lahy na vavy, na ankizy na lehibe.Indray andro, dia nisy ray aman-drenynitondra ny zanany teo amin’i Jesosy,nefa nobedesin’ny mpianany. Hoy ane-fa i Jesosy: “Avelao ny zaza hanatonaahy fa aza mitady hisakana azy, fa an’izay toa azy ny fanjakan’Andriamani-tra.”—Marka 10:14.

Nanana ny fahendren’Andriamanitra izy.Nahatakatra tsara ny fihetseham-pon’ny olona i Jesosy. “Nahalala izay tao am-pon’ny olona izy.” (Jaona 2:25) Na nyolona nirahin’ny fahavalony hisambo-tra azy aza niaiky hoe: “Mbola tsy nisyolona niteny tahaka izany mihitsy.” Tai-za no nahazoan’i Jesosy izany fahendre-na izany? Hoy izy: “Tsy ahy ny fampia-narako, fa an’ilay naniraka ahy.”—Jaona7:16, 46.

� Manazava momba ny vidim-panavotana nytoko 5 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

9 Tahafo Ilay Mesia

22 NY TENA FINOANA

Be fitiavana toa an’Andriamanitra izy. Na-ngoraka olona i Jesosy. Niangavy azyny lehilahy iray “rakotry ny habokana”hoe: “Tompo o, raha mba sitrakao fotsi-ny mantsy ny hanadio ahy, dia ho vita-nao izany.” Nangoraka azy izy ka “na-natsotra ny tanany”, ary “nikasika azysady nanao hoe: ‘Sitrako tokoa. Madio-va ianao.’ Koa afaka taminy avy hatranyny habokana.” (Lioka 5:12, 13; Marka 1:41, 42) Tena naniry hampitsahatra ny fi-jalian’io lehilahy io i Jesosy.

Miahy anao koa ve i Jesosy? Izy mihi-tsy no mamaly hoe: “Mankanesa atyamiko ianareo rehetra miasa mafy symavesatra entana, fa hamelombelonaanareo aho. Ento ny ziogako ka miana-ra amiko, fa malemy fanahy sy manetrytena aho, dia ho velombelona ianareo.”—Matio 11:28, 29.

Tsy hahita Mpitarika tsara toa an’i Jesosy isika. Izy mihitsy no manasaantsika hoe: “Mianara amiko.” Hanaikyizany ve ianao? Ho sambatra ianao rahamanaiky.

Ahoana no Havalinao?

˙ Inona no asa nanendren’Andriamanitra an’i Jesosy?

˙ Inona avy ny toetran’i Jesosy?Inona ny toetrany tianaoindrindra?

˙ Manasa antsika hanao inonai Jesosy?

Vonona hanampy nyhafa foana i Jesosy

Tia ankizy i Jesosy

Nanasitrana ny mararyi Jesosy satria nangoraka

NAMORONA anjely tany an-danitra iJehovah Andriamanitra, ela be talo-han’ny namoronany ny tany. Naniryhotompoina ny anjely iray, taty aoria-na, nefa Andriamanitra ihany no toko-ny hotompoina. Notanterahiny io fani-riany io, ka izy ihany no nahatongany tenany ho Satana, izay midika hoe“Mpanohitra”, izany hoe manohitra an’Andriamanitra. Ahoana no nataony?

Nofitahin’i Satana i Eva mba tsy ha-nkato an’Andriamanitra. Fetsy i Sata-na ka nilaza fa misy zavatra tsara tsynomen’Andriamanitra an’i Eva, matoaizy nandrara azy tsy hihinana tamin’nyhazo iray. Sahy nilaza an’Andriamani-tra ho mpandainga i Satana, ka na-mpirisika an-kolaka an’i Eva mba tsyhanaraka an’izay nolazain’Andriamani-tra. Hoy izy: “Fantatr’Andriamanitra faamin’ny andro hihinananareo azy io,dia hahiratra ny masonareo, ary ho ta-haka an’Andriamanitra ianareo, hahala-la ny tsara sy ny ratsy.” (Genesisy 3:5)Nino befahatany ny laingan’i Satanai Eva. Nandika ny lalan’Andriamanitraizy, ary notaominy koa i Adama. Lasa fa-havalon’izay rehetra manana ny tena fi-noana ary i Satana. Mbola mamitakany olona izy hatramin’izao. Inona noataony?

Niely ny finoana sandoka

Nitarika ny zanak’Israely hanomposampy sy hanaraka lovantsofina i Sa-tana mba hanimbana ny finoan’izyireo. Nilaza tamin’ireo mpitondra fiva-vahana teo amin’izy ireo i Jesosy hoevery maina ny ivavahan’izy ireny, satria“didin’olombelona” no nampianariny.

(Matio 15:9) Nanda an’ilay Mesia ny fi-renen’Israely ka nolavin’Andriamanitra.Hoy i Jesosy: “Hesorina aminareo ny fa-njakan’Andriamanitra ka izay firenenamamokatra voa mendrika an’ilay fanja-kana no homena azy.” (Matio 21:43) Nympanara-dia an’i Jesosy ary no lasa va-hoakan’Andriamanitra.

Niezaka hanimba ny finoan’ny mpa-nara-dia an’i Jesosy i Satana avy eo.Nahomby ve izy? Nilaza mialoha izayhitranga i Jesosy ka nampiasa izao fano-harana izao: Namafy vary teny an-tani-mbary ny lehilahy iray, nefa namafytsimparifary teny amin’ny vary ny faha-valo avy eo. Navela hiara-maniry ireomandra-pahatongan’ny fotoam-pijinja-na. Tamin’izay ny tsimparifary vao na-vahana tamin’ny vary, ary nodorana.Nangonina kosa ny vary ka natao taoan-trano fitehirizam-bokatra.

Nohazavain’i Jesosy tamin’ny mpia-nany ny hevitr’ilay fanoharana: Izy noMpamafy, ary “ny voa tsara dia ny za-nak’ilay fanjakana, fa ny tsimparifarykosa dia ny zanak’ilay ratsy, ary ny faha-valo namafy izany dia ny Devoly. Ny fo-toam-pijinjana dia ny fifaranan’ny ra-fitr’ity tontolo ity, ary ny mpijinja diaanjely.” (Matio 13:38, 39) Oharin’i Jeso-sy amin’ny vary ny tena mpianany. I Sa-tana kosa namafy tsimparifary, izanyhoe mpianatra sandoka, teo amin’ireotena mpanara-dia an’i Jesosy. Nanjarynisy mpianatra sandoka ary taorian’nynahafatesan’i Jesosy, araka ny efa nola-zainy. Nampiely fampianaran’ny mpi-vadi-pinoana izy ireny, anisan’izany nyAndriamanitra telo izay iray. Nanombo-ka nanompo sampy sy niditra tamin’ny

10 Ilay Fahavalon’ny Finoana

24 NY TENA FINOANA

politika koa ireo mpianatra sandoka. Vitsy ihanyno nitana ny fampianaran’i Jesosy.

Tsy foana tanteraka ny tena finoana

Hisy fiovana ihany anefa, araka ny efa no-lazain’i Jesosy. Hanavaka an’ireo tsy mana-na ny tena finoana ny anjelin’Andriamanitra,ka handringana an’ireny. Ho mora fantatra aryireo manana ny tena finoana. Horinganina koaamin’ny farany, i Satana Devoly, ilay fahavalon’ny finoana. Handresy ny tena finoana!

Ahoana no hamantaranao an’ireo manana nytena finoana ankehitriny? Hodinihintsika ny va-lin’izany.

Ahoana no Havalinao?

˙ Ahoana no nampisy an’iSatana?

˙ Ahoana no niezahan’i Satanananimba ny finoan’ny olona?

˙ Hazavao ilay fanoharan’iJesosy momba ny vary syny tsimparifary.

Nampiasa menaranai Satana mba hamitahana

an’i Eva

Nitarika ny olona hanomposampy sy hanaraka

lovantsofina i Satana mbahamitahana azy ireo

Mitady olona tehanana ny tena

finoana ny anjelyankehitriny

MARO no milaza ho manam-pinoana.Nilaza anefa i Jesosy fa vitsy no mananany tena finoana. “Lehibe sady malala-ka”, hoy izy, “ny lalana mankany amin’ny fandringanana, ka maro no miditraany. Tery kosa ny vavahady ary ety ny la-lana mankany amin’ny fiainana, ka vi-tsy no mahita azy.”—Matio 7:13, 14.

Ahoana no amantarana an’ireo mana-na ny tena finoana? “Ny voa izay vokari-ny no hahafantaranareo tsara azy”, hoyi Jesosy. “Ny hazo tsara rehetra dia ma-moa voa tsara, ary ny hazo ratsy rehetrakosa mamoa voa ratsy.” (Matio 7:16, 17)Mamoa “voa tsara” ary ny tena finoana,izany hoe mahatonga ny olona hananaan’ireo toetra tian’Andriamanitra. Ahoa-na izany?

Tsy manampatra hery na fahefana

Ny olona manana ny tena finoanadia mampiasa ny heriny sy ny fahefanymba hanomezam-boninahitra an’Andri-amanitra sy hahasoa ny hafa. Hoy i Jeso-sy: “Na iza na iza te ho lehibe aminareodia tsy maintsy ho mpanomponareo.”(Marka 10:43) Tsy manjakazaka ary nylehilahy manana ny tena finoana, na aoan-tranony izany na any ivelany. Tiavady izy, ary manome voninahitra symikarakara azy. Hoy ny Soratra Masina:“Ianareo lehilahy, tiavo foana ny vadi-nareo ary aza tezitra mafy aminy.” (Ko-losianina 3:19) “Ianareo lehilahy, aokaianareo hiara-mitoetra foana amin’nyvadinareo araka ny fahalalana, ka hano-me voninahitra azy, toy ny atao amin’nyfanaka malemy kokoa, dia ny vehivavy,mba tsy ho voasakana ny vavaka atao-

nareo. Mpiara-mandova aminy mantsyianareo, eny, mpiara-mandova ilay fa-nomezana tsy manam-paharoa, dia nyfiainana.”—1 Petera 3:7.

Tokony “hanaja fatratra ny vadiny”koa ny vehivavy manana ny tena finoa-na. (Efesianina 5:33) Tokony “ho tiavady aman-janaka” izy. (Titosy 2:4) Aryahoana ny ray aman-dreny manana nytena finoana? Mahita fotoana iarahanaamin’ny zanany izy ireo ary mampiana-tra azy ny lalana sy fitsipik’Andriamani-tra. Manaja olona ireny ray aman-drenyireny, na ao an-tranony izany na anyam-piasana, na any an-toeran-kafa. Ma-naraka izao torohevitra izao izy ireo:“Aoka ianareo ho loha laharana rahany amin’ny fifanomezam-boninahitra.”—Romanina 12:10.

Mankato izao tenin’ny Soratra Ma-sina izao ny mpanompon’Andriama-nitra: “Aza mandray kolikoly.” (Ekso-dosy 23:8) Tsy manampatra fahefanamba hahazoan-tombony izy ireo, fa mi-tady fomba hanampiana ny hafa kosa,indrindra fa ny sahirana. Arahiny izaotorohevitra izao: “Aza manadino hanaosoa sy hizara amin’ny hafa, fa sorona toyizany no ankasitrahan’Andriamanitra.”(Hebreo 13:16) Tsapany hoe marina aryilay tenin’i Jesosy hoe: “Mahasambatrakokoa ny manome noho ny mandray.”—Asan’ny Apostoly 20:35.

Manao ny rariny araka izaytakin’Andriamanitra

Mankato an-tsitrapo ny lalan’Andria-manitra ny olona manana ny tena fi-

11 Iza no Manana ny Tena FinoanaAnkehitriny?

26 NY TENA FINOANA

noana. Tsapany hoe “tsy mavesatra” nydidin’Andriamanitra. (1 Jaona 5:3) Fa-ntany koa fa “tonga lafatra ny lalan’iJehovah ... Mahitsy ny fitsipik’i Jeho-vah, mahafaly ny fo. Madio ny didin’iJehovah, mampahiratra ny maso.”—Sa-lamo 19:7, 8.

Mahatonga azy tsy hanavakavaka koany tena finoana. Tsy mihevitra firazana-na na firenena na sarangan’olona irayho ambony noho ny hafa izy ireo, famanahaka an’Andriamanitra kosa. “Tsymizaha tavan’olona” mantsy Andriama-nitra, “fa amin’ny firenena rehetra, izayolona matahotra azy ka manao ny mari-na no ankasitrahany.”—Asan’ny Aposto-ly 10:34, 35.

Mahatonga ny olona “hanao ny mari-na amin’ny zava-drehetra” ny tena fi-noana. (Hebreo 13:18) Tsy mifosa namanendrikendrika koa ny olona mana-na ny tena finoana. Nilaza i Davidampanao salamo fa ankasitrahan’Andria-manitra ny olona ‘tsy manendrikendri-ka amin’ny lelany, na manisy ratsy olo-na.’—Salamo 15:3.

Manana ny fahendren’Andriamanitra

Tsy mivaona amin’ny Soratra Masinany zavatra inoan’ireo manana ny tena fi-noana. Inoany fa “ny Soratra Masina iraymanontolo dia avy amin’ny herin’ny fa-nahy masin’Andriamanitra, ary mahasoamba hampianarana, hananarana, hani-tsiana izay diso, hanafaizana araka ny fa-hamarinana.” (2 Timoty 3:16) Rehefamifandray amin’olona izy, dia tarihin’ny“fahendrena avy any ambony”, izay ‘ma-dio, tia fihavanana, mahay mandanjala-nja, vonona hankato, be famindram-posy be voka-tsoa.’ (Jakoba 3:17) Tsy ma-naraka fombafomba tsy ankasitrahan’Andriamanitra izy ireo, ary tsy milalaoody na manompo sampy.—1 Jaona 5:21.

Tena manam-pitiavana

Hoy i Mosesy mpaminany: “Tiavo i Je-hovah Andriamanitrao amin’ny fonaomanontolo sy ny tenanao manontoloary ny herinao manontolo.” (Deotero-nomia 6:5) Izany mihitsy no ataon’nyolona manana ny tena finoana. Ha-jain’izy ireo ilay anaran’Andriamanitrahoe Jehovah. ‘Misaotra an’i Jehovah’ izyireo, ary ‘miantso ny anarany’ amim-pinoana. (Salamo 105:1) Mankato izaodidy izao koa ny mpanompon’Andri-amanitra: “Tiavo ny namanao tahakany tenanao.” (Levitikosy 19:18) Tsy tiaherisetra izy ireo ary miezaka ‘hiha-vana amin’ny olona rehetra.’ (Romani-na 12:18) Toy ny hoe ‘manefy ny saba-ny ho angadinomby izy ireo, ary nylefony ho antsy fandrantsanam-boalo-boka.’ (Isaia 2:4) “Mifankatia” ary izyireo, ary toy ny mpirahalahy izy rehetraeran-tany. (Jaona 13:35) Fantatrao vehoe iza ireo manana ny tena finoanaankehitriny?

Ahoana no Havalinao?

˙ Ahoana no amantarana nyolona manana ny tena finoana?

˙ Raha manana ny tenafinoana ny olona iray,ahoana no anehoany an’iretotoetran’Andriamanitra ireto:

Hery? Fahendrena?

Fanaovanany rariny?

Fitiavana?

NY TENA FINOANA 27

NAMPIOMANA ny mpanompony Andri-amanitra fa hisy fitsapam-pinoana. Hoyny Teniny: ‘Aoka ianareo hiambina, satriany Devoly fahavalonareo mandehandehatahaka ny liona mierona, mitady olonaharapaka.’ (1 Petera 5:8) Inona no metyhataon’i Satana mba handravana ny fi-noanao?

Mety hampiasa olona i Satana, anga-mba havanao na namanao, mba hisaka-nana anao tsy handinika ny Soratra Ma-sina. Hoy i Jesosy: “Ny ankohonan’nyolona ihany no ho fahavalony.” (Matio10:36) Tsy hoe ratsy saina ny havantsikana ny namantsika, fa mety ho tsy fantanyfotsiny ireo fahamarinana ao amin’ny Te-nin’Andriamanitra, na koa mety hataho-tra ny vavam-bahoaka izy ireo. Hoy anefany Soratra Masina: “Fandrika ny tahotraolona, fa izay matoky an’i Jehovah no hovoaro.” (Ohabolana 29:25) Ho faly veAndriamanitra raha tsy mianatra ny Sora-tra Masina intsony ianao mba hahazoanasitraka amin’olona? Tsy izany mihitsy!Manampy antsika kosa Izy raha porofoi-ntsika fa manana ny tena finoana isi-ka. “Tsy anisan’izay mihemotra ho ringa-

na isika, fa anisan’ireo manam-pinoanamba ho voatsimbina ny aintsika.”—He-breo 10:39.

Tadidinao ve i Dumas, ilay noresahinatany aloha? Nanesoeso azy noho ny fi-noany ny vadiny, nefa niara-nianatra nyTenin’Andriamanitra taminy ihany tatyaoriana. Mety ho voataonanao koa ny ha-vanao na ny namanao, raha miezaka ha-nao ny tsara foana ianao. Matetika nomisy havana ‘voataona tsy amin’ny teny’,fa amin’ny “fitondran-tena madio” sy ny“fanajana lalina” asehon’ilay manana nytena finoana.—1 Petera 3:1, 2.

Ataon’i Satana koa izay hieritreretan’nyolona hoe tsy manam-potoana hianaranany Soratra Masina izy. Tiany ‘hangeja’ an’ilay teny masina nampianarina anao nyolana eo amin’ny fiainana na ny fahasa-hiranana ara-bola, ka ‘hanjary tsy hamoa’ny finoanao. (Marka 4:19) Tsara anefa nymitsinjo lavitra! Hoy mantsy ny SoratraMasina: “Mba hahazoan’izy ireo fiainanamandrakizay, dia ilainy ny mianatra ha-halala anao, ilay hany tena Andriamani-tra, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.” (Jao-na 17:3) Hiaina mandrakizay ao amin’ny

12 Porofoy fa Manana nyTena Finoana Ianao!

Efa nisy nanohitratoy izao ve ianao?

Mivavaha mbahanampian’Andriamanitra

anao

Miaraha amin’ireomanana ny tena finoana

Paradisa ary ianao, raha tsy mitsahatramianatra momba an’Andriamanitra sy Je-sosy, ilay Mesia!

Eritrereto i Mosesy! Afaka nikatsaka ha-rena sy laza ary fahefana izy, satria ani-san’ny ankohonan’ny mpanjakan’i Eji-pta. Naleony anefa “nampijalina niarakatamin’ny vahoakan’Andriamanitra, toyizay hifaly vetivety tamin’ny fahotana.”“Tsy azo nohozongozonina” mantsy izy,“toy ny mahita an’Ilay tsy hita.” (Hebreo11:24, 25, 27) Tena nino an’Andriama-nitra i Mosesy. Ny sitrapon’Andriamani-tra no zava-dehibe kokoa taminy, fa tsyny hahasoa ny tenany, ka tena notahin’Andriamanitra izy. Hotahiny koa ianaoraha manao toy izany.

Mety hampiasa fomba maro i Satanahahazoana anao. Tsy voatery ho azonyanefa ianao. Hoy ny Tenin’Andriamani-tra: ‘Tohero ny Devoly, dia handositraanareo izy.’ (Jakoba 4:7) Inona no azonaoatao hanoherana azy?

Ianaro foana ny Soratra Masina. Vakioisan’andro ny Tenin’Andriamanitra. Di-niho izay ampianarina ao. Ampiharo nytorohevitra ao. Handray “ny fiadiana fia-rovana rehetra avy amin’Andriamanitra”ianao amin’izay, ary ireny no hahafa-

hanao hanohitra ny fanafihan’i Satana.—Efesianina 6:13.

Miaraha amin’ny olona manana ny tena fi-noana. Tadiavo ny olona mamaky sy mia-natra ary mampihatra ny Soratra Masi-na. ‘Mifampihevitra mba handrisika hoamin’ny fitiavana sy ny asa tsara’ izy ire-ny, ary ‘mifampahery.’ Hanampy anaohanana finoana matanjaka koa izy ireny.—Hebreo 10:24, 25.

Manatona an’i Jehovah. Mivavaha mbahanampian’Andriamanitra anao, ary ma-tokia azy. Aza hadinoina mihitsy fa te ha-nampy anao izy. ‘Apetraho aminy daho-lo izay rehetra mampanahy anao, satriamiahy anao izy.’ (1 Petera 5:6, 7) ‘Tsymivadika amin’ny teniny Andriamani-tra, ka tsy hamela anao halaim-panahymihoatra noho izay zakanao, fa rehefamisy fakam-panahy dia hasiany lalan-ki-voahana koa, mba hahazakanao izany.’—1 Korintianina 10:13.

Manaratsy an’Andriamanitra i Satanaka milaza hoe tsy hisy olona hanompoan’Andriamanitra rehefa tojo olana. Afa-ka manaporofo anefa ianao hoe mpa-ndainga i Satana. “Hendre”, hoy Andri-amanitra, “ary ampifalio ny foko, mbahamaliako an’ilay manaratsy ahy.” (Oha-bolana 27:11) Aoka ary ianao ho tapa-ke-vitra ny hanaporofo fa manana ny tena fi-noana!

Ahoana no Havalinao?

˙ Inona no mety hataon’i Satana mbahampihozongozona ny finoanao?

˙ Ahoana no nanaporofoan’i Mosesyfa nanana ny tena finoana izy?

˙ Inona no azonao atao rehefamisy fitsapam-pinoana?

29

HOY ny Soratra Masina: “Ny olo-marinadia ho velona noho ny finoany.” (Roma-nina 1:17) Mahakasika anao izany fa-mpanantenana mahafaly izany. Fa na-hoana?

Niakatra tany an-danitra ho any amin’Andriamanitra i Jesosy, ilay Mesia, rehe-fa nahavita ny asany teto an-tany. “Naka-rina” teo imason’ny mpianany izy, “arynisy rahona nanarona azy ka tsy hitan’ireo intsony izy.” (Asan’ny Apostoly 1:9)Notendren’Andriamanitra ho Mpanjakamahery any an-danitra izy. Tsy ho ela,dia ho tonga “amin’ny voninahiny” i Je-sosy, izay antsoina hoe “Zanak’olona.”Ho tonga “miaraka amin’ny anjely rehe-tra” izy, ary ‘hipetraka eo amin’ny sezafiandrianany be voninahitra. Dia hango-nina eo anatrehany ny firenena rehetra.Ary hanavaka ny olona izy, toy ny mpia-ndry ondry manavaka ny ondry amin’nyosy.’ (Matio 25:31, 32) Rahoviana izany?

Milaza ny Soratra Masina fa hisyfe-potoana hisian’ny olana maneran-tany. Izany no ho famantarana fa akai-ky ny fotoana hitsaran’ny Mesia an’ireo firenena. Anisan’ilay famantaranaizao nolazain’i Jesosy izao: “Hisy fire-nena hitsangana hamely firenena, aryhisy fanjakana hamely fanjakana. Hisyhorohoron-tany lehibe, ary hisy areti-mandringana sy mosary any amin’nytoerana samy hafa. Hisy zavatra ma-mpahatahotra ho hitan’ny olona.”—Lio-ka 21:7, 10, 11.

Hitantsika ankehitriny fa tanterakaireo tenin’i Jesosy ireo. Ho avy tsy ho elaizy mba handringana ny ratsy fanahy. Na

i Satana aza horinganina koa amin’nyfarany! Ho lasa paradisa ny tany ma-nontolo. Hifankahazo tsara daholo nyolona ary hihavana koa ny olona syny biby. ‘Hiaraka tsindraindray ny za-nak’ondry sy ny amboadia, hatoritoryhiaraka amin’ny zanak’osy ny leopara,ary hiaraka daholo ny zanak’omby syny liona tanora ary ny biby nohatave-zina, ka ankizilahikely no hitarika azyireo.’ (Isaia 11:6, 9) ‘Tsy hisy mponinahilaza hoe: “Marary aho. Amin’izany fo-toana izany, dia hampahiratina ny ma-son’ny jamba, ary hatao mandre ny so-fin’ny marenina.” (Isaia 33:24; 35:5) Nany maty aza hatsangana. “Hofafan’i Je-hovah ... koa ny ranomaso amin’ny tare-hy rehetra”, ary “tsy hisy fahafatesanaintsony, sady tsy hisy intsony ny alahelona ny fitarainana na ny fanaintainana.”(Isaia 25:8; Apokalypsy 21:4) Ho tantera-ka ilay fikasan’Andriamanitra hoe ho pa-radisa honenan’ny olona sambatra nytany. Hahafinaritra tokoa izany!

Hatanjaho hatrany ny finoanao

Iza no havelan’Andriamanitra hiainaao amin’ny Paradisa? Ny olona mananany tena finoana!

Tadidio fa ny tena finoana dia mifo-totra amin’ny fahalalana marina tsarany Tenin’Andriamanitra. Miezaha foanaary hahalala misimisy kokoa momba an’Andriamanitra sy Jesosy!

Ny fanaovanao ny tsara koa no mana-porofo fa manana ny tena finoana ianao.Hoy ny Tenin’Andriamanitra: ‘Maty nyfinoana raha tsy aseho amin’ny atao.’

13 Ho Sambatra MandrakizayIreo Manana ny Tena Finoana

30 NY TENA FINOANA

(Jakoba 2:26) Raha manao ny tsara ia-nao, dia hanana ny toetran’Andriamani-tra, izany hoe ny hery, fanaovana nyrariny, fahendrena ary fitiavana. Mieza-ha foana hanana ireo toetra tsara ireo!

Hahazo valisoa be dia be sy ho samba-tra ianao raha manana ny tena finoana.Eny, ho sambatra ianao dieny izao sy homandrakizay!

Ahoana no Havalinao?

˙ Aiza no misy an’i Jesosy izao?

˙ Ahoana no ahalalantsika fa kelysisa dia hitsara an’ireo firenenai Jesosy?

˙ Inona no hataon’i Jesosy rehefaho tonga izy?

˙ Inona no azonao atao mbahanatanjahana ny finoanao?

Ny olana misy ankehitrinyno manaporofo fa kely sisa dia

hitsara an’ireo firenena ny Mesia

Hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisany olona manana ny tena finoana!

rk-MG

Nahita valiny mahafa-po amin’ireo fanontaniana ireo ny olonaan-tapitrisany, rehefa nianatra ny Soratra Masina. Nahoana rahamanao toy izany koa?

Efa Noeritreretinao ve Izao:˘ Inona no marina momba an’Andriamanitra?

˘ Ahoana no hatao mba hananana tokantranosambatra?

˘ Nahoana no maro be ny zava-manahiranaeto an-tany?

˘ Nahoana Andriamanitra no mamelany fijaliana hisy?

˘ Nahoana Andriamanitra no namoronany tany?

˘ Aiza no misy ny maty?

˘ Misy vokany eo amin’nyfiainantsika ve ny anjely?

˘ Ahoana no hahatongaanao ho akaiky kokoaan’Andriamanitra?

Misy fanontanianao ve?Manorata any amin’ny Vavolombelon’i Jehovah: www.jw.org.