9
MANETRY TENA NY OLONA HENDRY ona 12 ho an'ny 21 Martsa 2015

Lesona 12 ho an'ny 21 Martsa 2015. Ao amin'ny Ohabolana 30, Agora dia manoro hevitra antsika mba hanana fanetre-tena amin'ny alalàn'ny fandosirana ny

Embed Size (px)

Citation preview

Page 1: Lesona 12 ho an'ny 21 Martsa 2015. Ao amin'ny Ohabolana 30, Agora dia manoro hevitra antsika mba hanana fanetre-tena amin'ny alalàn'ny fandosirana ny

MANETRY TENA NY OLONA HENDRY

Lesona 12 ho an'ny 21 Martsa 2015

Page 2: Lesona 12 ho an'ny 21 Martsa 2015. Ao amin'ny Ohabolana 30, Agora dia manoro hevitra antsika mba hanana fanetre-tena amin'ny alalàn'ny fandosirana ny

Ao amin'ny Ohabolana 30, Agora dia manoro hevitra antsika mba hanana fanetre-tena amin'ny alalàn'ny fandosirana ny fireharehana sy amin'ny alalàn'ny fibanjinana an'Andriamanitra sy ireo asany.

1. MANDOSITRA NY FIREHAREHANA Fahadalana sy fireherehana (and. 32) Ireo asan'ny mpirehareha (and. 11-20)

2. MIKATSAKA NY FANETRE-TENA Mibanjina an'Andriamanitra (and. 3-6) Mangataka izay ilaina (and. 7-9) Mianatra avy amin'ny zavaboary (and. 18-19, 24-28)

Page 3: Lesona 12 ho an'ny 21 Martsa 2015. Ao amin'ny Ohabolana 30, Agora dia manoro hevitra antsika mba hanana fanetre-tena amin'ny alalàn'ny fandosirana ny

“Raha adala ka nanandra-tena ianao, na efa nisaina hanao ratsy, dia tampeno ny tananao ny vavanao.”

(Ohabolana 30:32)

FAHADALANA SY FIREHAREHANA

Mitondra tena toy ny adala [nabala amin'ny teny Hebreo] isika rehefa mirehareha, mirehaka na dedaka.

Nabala no ohatra mazava indrindra ao amin'ny Baiboly momban'ny adala mirehareha: “Fa araka ny anarany ihany no toeny; Nabala no anarany, ary hadalana no ao aminy!” (1 Samoela 25:25). Ny mpirehareha dia mieritreritra fa efa mahay na manana ny zavatra rehetra izy. Ny olany dia izy mieritreritra fa tsy mila na inona na inona intsony. Tahaka ilay Fariseo ao amin'ny Lioka 18:9-14; tsy te-handray ny famelankeloka sy fahendrena avy amin'Andriamanitra izy.

Page 4: Lesona 12 ho an'ny 21 Martsa 2015. Ao amin'ny Ohabolana 30, Agora dia manoro hevitra antsika mba hanana fanetre-tena amin'ny alalàn'ny fandosirana ny

IREO ASAN'NY MPIREHAREHA

Misy zavatra telo tena ratsy loatra vokatry ny fireharehana hita ao amin'ny Ohabolana 30:11-20. Ny vokatra mafaitra indrindra amin'ny fireharehana dia voambara tsirairay ao amin'io andininy io.

Manozona ny ray aman-dreniny • “Misy taranaka izay manozona ny rainy sady tsy misaotra ny reniny …

Ny maso izay miandranandrana amin-dray sady tsy mety manaja reny dia hotsaingotsaingohin'ny goaika eny an-dohasahan-driaka ary hohanin'ny zana-boromahery .” (Ohabolana 30:11, 17).

Fanalana tsiny ny fahotana • “Misy taranaka manao azy ho madio, kanjo tsy voasasa ho afaka

amin'ny fahalotoany… Tahaka izany koa no fanaon'ny vehivavy mpijangajanga: Homana izy, dia mamafa ny vavany, ka dia manao hoe : Tsy nanao ratsy aho.’” (Ohabolana 30:12, 20).

Manamavo ny hafa • “Misy taranaka, endrey ny fiandrandran'ny masony sy ny fisondrotry

ny hodi-masony! Misy taranaka izay toy ny sabatra ny nifiny, ary toy ny antsy ny vazany, hamongotra ny ory tsy ho amin'ny tany sy ny malahelo tsy ho amin'ny olona.” (Ohabolana 30:13-14).

Page 5: Lesona 12 ho an'ny 21 Martsa 2015. Ao amin'ny Ohabolana 30, Agora dia manoro hevitra antsika mba hanana fanetre-tena amin'ny alalàn'ny fandosirana ny

MIBANJINA AN'ANDRIAMANITRA“Iza no efa niakatra tany an-danitra sady nidina indray? Iza no nahangona ny rivotra tao an-tànany? Iza no nahafono ny rano tamin'ny lambany? Iza no nahamisy ny faran'ny tany rehetra? Iza no anarany, ary iza no anaran'ny zanany? Fa toa fantatrao?” (Ohabolana 30:4)

Rehefa mahita ny asan'Andriamanitra isika - avy amin'izao tontolo rehetra izao lehibe mankamy ny tontolon'ny zavatra madinika, dia manjavona avokoa ireo antony tsirairay hireharehana.

Rehefa mandinika ny fahalehibiazan'Andriamanitra tahaka ny nataon'i Joba isika (Joba 38-39), dia tsy misy azontsika atao afa-tsy ny miteny toa an'i Davida hoe: “Inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak'olombelona, no amangianao azy?” (Salamo 8:4).

Noho izany, dia tokony hianatra ny fahamarinana ambaran'Andriamanitra (ny Baiboly) am-panetre-tena isika. Ny fahalalantsika dia voasarona zavona sy zava-miafina, satria ankehitriny dia tsy afaka mahatakatra na dia ny zavatra faran'izay tsotra indrindra eo amin'ny zavaboary aza isika. Ahoana no hametrahantsika fisalasalana ny amin'ny Tenin'Andriamanitra? Tsy afaka ny hametraka fisalasalana amin'ny Baiboly isika na dia manahirana antsika aza ny andininy sasany.

Page 6: Lesona 12 ho an'ny 21 Martsa 2015. Ao amin'ny Ohabolana 30, Agora dia manoro hevitra antsika mba hanana fanetre-tena amin'ny alalàn'ny fandosirana ny

MANGATAKA IZAY ILAINA“Zavatra roa loha no angatahiko aminao; ka aza lavinao, dieny tsy mbola maty aho” (Ohabolana 30:7)

Inona ireo zavatra roa nangatahin'i Agora tamin'Andriamanitra (and. 8)?

1. “Ampanalaviro ahy ny zava-poana sy ny lainga.”2. “Aza manome ahy fahantrana na harena; fahano

aho amin'izay anjara-hanina sahaza ho ahy.”Voalohany, dia nangataka tamin'Andriamanitra izy hanalavitra azy ny zava-poana sy ny lainga. Faharoa, nangataka izy mba hanomezana azy izay hanina sahaza azy ihany.Eo amin'ny andininy faha-9, nohazavain'i Agora hoenahoana izy no nangataka ireo zavatra ireo:

Raha manana loatra aho, dia mety hanadino fa miankina amin'Andriamanitra aho.

Raha mahantra aho, dia mety halaim-panahy hanota amin'Andriamanitra satria hangalatra aho.

Nampianatra antsika i Jesosy mba hangataka ny hanintsika amin'Andriamanitra: “Omeo anay isan'andro izay hanina sahaza ho anay.” (Lioka 11:3)

Page 7: Lesona 12 ho an'ny 21 Martsa 2015. Ao amin'ny Ohabolana 30, Agora dia manoro hevitra antsika mba hanana fanetre-tena amin'ny alalàn'ny fandosirana ny

MIANATRA AVY AMIN'NY ZAVABOARY

Ny lalan'ny voromahery eny amin'ny habakabaka

Ny lalan'ny bibilava eny

amin'ny vatolampy

Ny lalan'ny sambo eny

amin'ny ranomasina

Ny lalan'ny lehilahy

mankany amin'ny

tovovavy

Inona ireo zavatra izay tsy takatr'i Agora (Ohabolana 30:19)? Inona no azontsika ianarana avy amin'izany?

Ny fianarana ny zavaboary dia mahatonga antsika hahafantatra ny tsy fahampian'ny fahalalalana ananantsika. Tena fomba tsara hanorenana fanetre-tena izany.

Page 8: Lesona 12 ho an'ny 21 Martsa 2015. Ao amin'ny Ohabolana 30, Agora dia manoro hevitra antsika mba hanana fanetre-tena amin'ny alalàn'ny fandosirana ny

MIANATRA AVY AMIN'NY ZAVABOARY

Ny fianarana ny zavaboary dia mahatonga antsika hahafantatra ny tsy fahampian'ny fahalalalana ananantsika. Tena fomba tsara hanorenana fanetre-tena izany

Ny vitsika dia firenena tsy matanjaka, nefa manangona ny haniny amin'ny fahavaratra

izy .

Ny biby hyraka dia firenena tsy manan-kery, nefa manao ny tranony ao amin'ny harambato

izy .

Ny valala tsy manana mpanjaka, nefa izy rehetra miainga manao antokony tsara .

Ny antsiantsy izay azonao samborina amin'ny tanana, nefa tonga ao an-dapan'ny mpanjaka .

Inona no azontsika ianarana amin'ny biby madinika (Ohabolana 30:25-28 )?

Page 9: Lesona 12 ho an'ny 21 Martsa 2015. Ao amin'ny Ohabolana 30, Agora dia manoro hevitra antsika mba hanana fanetre-tena amin'ny alalàn'ny fandosirana ny

“Eo amin'ireo sehatra samihafa eo amin'ny zavaboary dia misy lesona avy amin'ny fahendrena avy any ambony ho an'ireo rehetra izay nianatra ny hanana fifandraisana amin'Andriamanitra. Ireo pejy izay nisokatra nazava tsara tsy nisy matromatroka tamin'ny fibanjinan'ireo olon-droa voalohany tao Edena dia mitondra aloka ankehitriny. Ahidratsy no nilatsaka tamin'ilay voary tena tsara. Kanefa, na aiza na aiza itodiantsika dia mbola ahitana soritr'ilay fitiavana voalohany. Na aiza na aiza no itodiantsika dia mbola mandre ny feon'Andriamanitra sy mibanjina ny asan'ny tanany isika.”

E.G.W. (Counsels to Parents, Teachers and Students, fizarana 2, toko. 6, pj. 52)