8
Lesona 5 ho an'ny 2 May, 20

Lesona 5 ho an'ny 2 May, 2015. Inona no tian'i Lioka hambara rehefa milaza izy fa fanaon'i Jesosy ny mitandrina ny Sabata? Ahoana no tokony hanaovantsika

Embed Size (px)

Citation preview

Page 1: Lesona 5 ho an'ny 2 May, 2015. Inona no tian'i Lioka hambara rehefa milaza izy fa fanaon'i Jesosy ny mitandrina ny Sabata? Ahoana no tokony hanaovantsika

Lesona 5 ho an'ny 2 May, 2015

Page 2: Lesona 5 ho an'ny 2 May, 2015. Inona no tian'i Lioka hambara rehefa milaza izy fa fanaon'i Jesosy ny mitandrina ny Sabata? Ahoana no tokony hanaovantsika

“ARAKA NY FANAONY”

Inona no tian'i Lioka hambara rehefa milaza izy fa fanaon'i Jesosy ny

mitandrina ny Sabata?

Ahoana no tokony hanaovantsika ny fitandremana ny Sabata ho

fanaontsika ihany koa?

1. Afaka mivavaka amin'Andriamanitra isika na aiza na aiza, kanefa tsara ny MIARAKA amin'ny toerana iray.

2. Amin'izany no anehoantsika am-pahibemaso fa Jesosy no Mpamorona sy Mpanavotra antsika.

3. Afaka mifampizara ny fifaliantsika sy izay manahirana antsika isika rehefa tafaraka.

“Dia tonga tao Nazareta, izay nahabe Azy Izy; ary araka ny fanaony dia niditra tao amin'ny synagoga tamin'ny andro Sabata Izy ka nitsangana hamaky teny.” (Lioka 4:16)

Page 3: Lesona 5 ho an'ny 2 May, 2015. Inona no tian'i Lioka hambara rehefa milaza izy fa fanaon'i Jesosy ny mitandrina ny Sabata? Ahoana no tokony hanaovantsika

NY ASA ATAO AMIN'NY SABATA“Ary nidina tany Kapernaomy, tanàna any Galilia, Jesosy ka nampianatra ny olona tamin'ny Sabata.” (Lioka 4:31)

Araka ny vakiantsika ao amin'ny Lioka 4:31-36, nampianatra sy nanasitrana Jesosy tamin'ny Sabata tamin'ireo asa maro hafa.Lehilahy iray azon'ny demonia no nanapaka ny toriteny nataony. Noroahiny izany.Ireo izay vavolombelon'ny zavatra niseho dia talanjona tamin'ny FAHEFANA lehibe nanan'i Jesosy. Fahefana nampianatra. Fahefana amin'ny demonia sy ny

aretina.

Mbola manana izany fahefana nananany izany Jesosy. Omenao fahefana ve Jesosy ho mpitarika ny fiainanao?

Page 4: Lesona 5 ho an'ny 2 May, 2015. Inona no tian'i Lioka hambara rehefa milaza izy fa fanaon'i Jesosy ny mitandrina ny Sabata? Ahoana no tokony hanaovantsika

NY TOMPON'NY SABATA

“Ary hoy Izy taminy: Tompon'ny Sabata ny

Zanak'olona.’”(Lioka 6:5)

Amin'ny heviny ahoana no maha "Tompon'ny Sabata" an'i Jesosy?

Nomen'i Jesosy ny tena heviny ny Sabata: araka ny lalàna ny fanaovana soa sy famonjena aina amin'ny Sabata.

Ahoana no niatrehan'i Jesosy ny fiampangana

fa tsy mitandrina ny Sabata Izy?

(Lioka 6:3-4, 9)

Page 5: Lesona 5 ho an'ny 2 May, 2015. Inona no tian'i Lioka hambara rehefa milaza izy fa fanaon'i Jesosy ny mitandrina ny Sabata? Ahoana no tokony hanaovantsika

NY MAHA-ZAVADEHIBE NY SABATA“Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin'izany no nitsaharan'Andriamanitra tamin'ny asany rehetra izay noforoniny tamin'ny nanaovany azy.” (Genesisy 2:3)

Ny fitandremana ny Sabata dia didy avy amin'Andriamanitra (Eksodosy 20:8-11). Manome antsika tombontsoa lehibe ara-batana sy ara-panahy koa izy.Ohatra:

Fihainoana ny Tenin'Andriamanitra (Lioka 4:17)

Fitsaharana ao amin'i Kristy (Hebreo 4:1)

Fahatsiarovana ny Mpamorona antsika (Genesisy 2:3)

Fankalazana ny Mpanavotra antsika (Deoteronomia 5:15)

Page 6: Lesona 5 ho an'ny 2 May, 2015. Inona no tian'i Lioka hambara rehefa milaza izy fa fanaon'i Jesosy ny mitandrina ny Sabata? Ahoana no tokony hanaovantsika

“Na dia tao Edena aza, dia hitan'Andriamanitra fa nilain'ny olona mihitsy ny Sabata. Nilainy ny nanokana andro iray amin'ny fito hitsaharana tamin'ny asany rehetra momba ny ety an-tany, ka handinika bebe kokoa ny asan'Andriamanitra sy hisaintsaina ny heriny sy ny fahatsarany. Nila ny Sabata izy mba hamelona ny fahatsiarovany an'Andriamanitra sy hamoa ny fankasitrahana, satria ny zavatra rehetra ifalifaliany sy ananany dia avy teo am-pelantanan'Ilay Mpamorona.”

E.G.W. (Patriarchs and Prophets, tk. 2, pj. 48)

Page 7: Lesona 5 ho an'ny 2 May, 2015. Inona no tian'i Lioka hambara rehefa milaza izy fa fanaon'i Jesosy ny mitandrina ny Sabata? Ahoana no tokony hanaovantsika

AHOANA NO FITANDREMANA NY SABATA“Fa namaly azy ny Tompo ka nanao hoe: Ry mpihatsaravelatsihy, moa tsy samy mamaha ny ombiny na ny borikiny hiala amin'ny fihinanam-bilona amin'ny Sabata va ianareo ka mitondra azy hisotro rano? Koa ity vehivavy zanak'i Abrahama ity, izay efa nafatotr'i Satana izao valo ambin'ny folo taona izao, moa tsy tokony hovahana ho afaka amin'izany fatorana izany amin'ny andro Sabata va?’” (Lioka 13:15-16)

Inona no mampiavaka ny asa azo atao amin'ny Sabata sy ny asa tsy azo

atao?Inona no azontsika atao mba hitandremana ny Sabata amin'ny fomba

tsaratsara kokoa?

Ahoana sy nahoana no tokony hitandrina ny Sabata amin'ny alalan'ny fanaovana

asam-panasoavana isika(Lioka 4:31-40; 6:6-11; 13:10-16; 14:1-6)?

Page 8: Lesona 5 ho an'ny 2 May, 2015. Inona no tian'i Lioka hambara rehefa milaza izy fa fanaon'i Jesosy ny mitandrina ny Sabata? Ahoana no tokony hanaovantsika

“Tokony hotsarovana mandritry ny herinandro ny Sabata mba hahazoana manao ny fiomanana rehetra ilaina, ka ho voatandrina araky ny lalàna izany andro izany. Ny Sabata dia tsy tokony hotandremana fotsiny araky ny maha-lalàna azy. Fa aoka ho fantatra tsara koa izay mety ho vokatr'izany amin'ny ara-panahy mandritry ny fiainana manontolo. Na iza na iza no mihevitra ny Sabata ho famantarana aminy sy amin'Andriamanitra, dia famantarana maneho fa Andriamanitra no manamasina azy, dia aoka izy haneho amin'ny fiainany ny foto-kevitra arahina ao amin'ny fanjakan'ny lanitra. Ny fanamasinan'ny Sabata dia hangatahiny isan'andro amin'Andriamanitra mba hipetraka aminy. Kristy no hiara-dia aminy isan'andro ary haneho eo aminy ny fahatanterahan'ny toetrany. Isan'andro ny fahazavan'izy ireo dia hamirapiratra eo imason'ny manodidina azy amin'ny alalan'ny asa tsara izay ataony.”

E.G.W. (Testimonies for the Church, bk. 6, tk. 44, pj. 353)