23
TITRE ISBN MIVAVAKA… Lioka 11.1 S. Fayard « Prier » Bibles et Publications Chrétiennes 30, rue Châteauvert — F-26000 Valence

MIVAVAKA Lioka 11.1 S. Fayard «Prier » Bibles et ... · PDF fileFampidirana Zava-dehibe iankinan’aina ny vavaka, ho an’ny mpino. Izy no aina mamelombelona ny fanahy, fane-hoana

  • Upload
    vananh

  • View
    225

  • Download
    3

Embed Size (px)

Citation preview

TITREISBN

MMIIVVAAVVAAKKAA……Lioka 11.1

S. Fayard

« Prier »Bibles et Publications Chrétiennes

30, rue Châteauvert — F-26000 Valence

Fampidirana 7

1. Ireo toetoetran’ny vavaka 8Ny tanjony 9Ireo vokany 10Amin’iza no tokony hivavahantsika ? 11

2. Ahoana no fomba ivavahana? 13Amin’ny fahatsapana ny tsy fahampiantsika 13Amin’ny fitiavana sy amin’ny finoana 13Amin’ny fo sy amin’ny saina 15Omban’ny toetra ara-môraly mifanaraka

amin’izay andrasan’Andriamanitra 16Amin’ny anaran’ny Tompo Jesoa ary amin’ny

alalan’ny Fanahy Masina 17

3. Ireo endrika samihafa isehoan’ny vavaka 19Ny fiderana sy ny fitsaohana 19Ny fiandrandrana an’Andriamanitra 21Ny fiaiken-keloka sy ny fanetrentena 22Ny fangatahana 24Ireo fisaorana 26Ny fanelanelanana 27Ny fiaretan-tory, ny fahononantena sy ny

fifadian-kanina 28

5

Fizahan-Takila >

FFaammppiiddiirraannaa

Zava-dehibe iankinan’aina ny vavaka, ho an’nympino. Izy no aina mamelombelona ny fanahy, fane -hoana ny finoana, hetsipo noho ny fitiavana, adyara-panahy. Amin’ny alalan’ny vavaka no anatonan’ny mpino an’Andriamanitra mba hitalaho ny fanam -piany, nefa koa mba hisaotra sy hidera Azy. Nyvavaka no anehoan’ny mpino ny fiankinany amin’An -driamanitra. Mbola amin’ny alalany ihany koa noijoroany ho vavolombelona fa tsy irery tsy akory nyolombelona eo anivon’izao tontolo izao, fa misyAndriamanitra ary miasa.

7

4. Ny fanatanterahana ny vavaka 31Manokana fotoana ivavahana 31Mampitodika ny fontsika

amin’Andriamanitra 32Mandresy ireo fisalasalana sy ny tsy

fahazoana antoka 33Mitoetra ao amin’ny fiankinana

mandrakariva amin’ny Tompo 34Mandinika sy misaintsaina ny

tenin’Andriamanitra 35Manoa sy manao izay ankasitrahina

eo imason’ny Tompo Jesoa 37

5. Ny ohatra nomen’i Kristy 38

6. Fehiny : ireo fihevitra mikasika ny vavaka 44

6

ho eo anatrehan’Andriamanitra ny vavaka. Tsy irerytsy akory ny mpino iray rehefa mivavaka ; mia rakaamin’ny Andriamaniny izy. Tsy mibanjina ny tenanyizy, fa mibanjina an’Ilay Andriamaniny.

Ny tanjony

Mivavaka isika, voalohany indrindra, mba hahazovoninahitra Andriamanitra. Mitombo ao anatintsikany hetaheta hanaja an’Andriamanitra, rehefa tenamanatona Azy marina tokoa, amin’ny alalan’nyfinoana, isika. Noho izany, satria mifamatotra akaikyamin’io hetaheta io isika, dia mivavaka mba hahayhamantatra sy hanatanteraka ny sitrapon’Andriama -nitra. Rehefa mivavaka isika dia mianatra, tsy nyhanery an’Andriamanitra hanaraka izay heverintsika,fa ny hanoa Azy kosa. Amin’ny alalan’ny vavaka noitadiavantsika izay ankasitrahin’Andriamanitra, arymanaiky ny hanatanteraka izany isika. «Hatao anie nysitraponao ! » : izany no nampianarin’i Jesoa holazain -tsika, ao amin’ilay vavaka modely nomeny ny mpia -nany4. Izy ihany moa no naneho ny ohatra faratampon’izany, tamin’ny alalan’ny fanekeny ny hazofi -jaliana5.Mbola ny fifamatorantsika amin’io hetaheta ny

hanome voninahitra an’Andriamanitra io ihany, noivavahantsika mba hahazo fampaherezana manoloana

9

4. Matio 6. Ú† • 5. Matio 26. ∂‡

1. Ireo toetoetran’ny vavaka

Resaka atao amin’Andriamanitra ny vavaka. Metyhitranga ny hoe olona iray mbola tsy niova fo nomivavaka, ary mamaly azy Andriamanitra1. Saingy,raha halalinina kokoa, ny vavaka dia fanehoana nyfiainam-baovao atolotr’Andriamanitra ho an’ny olonamanankim-po aminy. Ny teny hoe : « Indro, efa miva -vaka izy »2, dia porofon’ny fiovam-pon’i Paoly. Fifan -draisana manokana amin’Andriamanitra izany nyvavaka, miorina amin’ny finoana sy ny fitokiana amin’Andriamanitra. Tsy asa natao ho mendri-pankasi -trahana ny vavaka, noho izany. Tsy ny hamaroan’nyteny3 tononina no ilaina, fa ny fanatonantsikaan’Andriamanitra amim-panajana sy amim-pitiavana.Tsy asa mifono hery majika tsy akory sanatria, ny

vavaka kristiana. Tsy karazana teny majika ilaina ave -rimberina tsy tapaka mba hahazoana fahefana. Nyfomba toy izany, izay tsy misy ifandraisana amin’nytenin’Andriamanitra, dia mitovitovy kokoa amin’nyfomban’ireo fivavahan’ny mpanompo sampy. Tsykarazana fampifantohan-tsaina ihany koa ny vavaka,tsy ikatsahana ny hahatafidirana any anaty lalin’nytena any, mba hahatrarana an’izay « tendro avoindrindra » mety ho tratra ao. Ho ny « izaho» miban -jina ny « izaho» ihany izany. Tsia, mametraka antsika

8

1. Jona 1. Ú∂ • 2. Asa 9. ÚÚ • 3. Matio 6. ¬

raha mifanaraka amin’ny sitrapony12. Indraindray, tsymamaly izany eo no ho eo Izy, mba hanamafisana nyfinoantsika. Izany no tsy maintsy ananantsika faha -retana amin’ny vavaka. Ary farany, « tsia » no avalin’Andriamanitra antsika, rehefa tsy araka izay ankasi -trahiny ny fangatahana nataontsika. Ataony mazavaao an-tsaintsika izany fandavany izany, omban’nyfampaherezana hatrany ny finoantsika13.

Amin’iza no tokony hivavahantsika?

Zava-dehibe ny hahalalana hoe iza amin’ireo Personaao amin’Andriamanitra moa no itodihantsika rehefamivavaka isika.Tonga avy any an-danitra i Jesoa mba hampaha -

fantatra antsika an’Andriamanitra ho toy ny Rain -tsika14. Noho izany, dia afaka miresaka amin’Andria -manitra toy ny firesaky ny zanaka amin’ny rainy isikaankehitriny, ao anatin’ny fiombonana aina akaiky diaakaiky sy feno hafaliana. Amim-panajana sy amim-panetrentena no anaovantsika izany, kanefa amim-pahazoana antoka koa fa mandre antsika Izy, eny fana miambakavaka be ihany aza ny feontsika. Miva -vaka amin’ny Ray isika amin’ny anaran’ny TompoJesoa15, ary amin’ny alalan’ny Fanahy Masina16.

11

12. 1 Jaona 5. Ú∂-Úƒ • 13. 2 Korintiana 12. ∞ • 14. Lioka 11. ‡ ; Matio11. ‡¬ ; Jaona 17. ‡Ì • 15. Jaona 16. ‡Ò • 16. Joda 20

ny ady kristiana sedraintsika6, ady ho an’ny filazan -tsara, ady ho soa ho an’ny Eglizy sy ny olombelonarehetra7.Mivavaka isika satria mila an’Andriamanitra, mba

hanatona Azy sy hitady ny tavany8. Fanirianaan’Andriamanitra ny vavaka ataontsika, hetaheta nyhiombona Aminy9. Samy avy amin’Andriamanitraavokoa na io hetaheta io, na io faniriana io.

Ireo vokany

Mamaly ny vavaka asandratr’ireo zanany Andria -manitra. Fomba roa sosona no anatanterahany izany.Voalohany, omeny azy ireo aloha ny fiadanany aryafahany amin’ny fahoriana izy ireo10. Azontsikaapetraka Aminy ny entantsika rehetra, satria Izy nomiahy antsika11. Rehefa izany, valian’Andriamanitraamin’izay ny zavatra tena nangatahintsika taminy,

10

6. Kolosiana 4. Ú‡ ; 2 Tesaloniana 3. Ú • 7. 2 Tesaloniana 3. Ú ;2 Korintiana 11. ‡µ • 8. Hebreo 4. ÚÌ ; Salamo 27. µ. Tsy hoe fam -pifantohana ny saina mba hahita ny toetr’endrik’Andriama -nitra tsy akory ny hoe « Mitady ny tavany ». Tsia, satria Andria -manitra dia Fanahy. Fanompoan-tsampy indray, raha izany nomitranga (Eksodosy 20. Ò). Tsy fiandrandrana fahatsapanafihetseham-po mahagaga ihany koa, izay tsy hafa fa fikaro -han-tena ihany. Tsy fanantenana fahitana na fisehoana toe-javatra ara-panahy ihany koa. Tsia ! Ny hoe « Mitady nytavany » dia fikatsahana amim-pinoana ny fana trehan’An -driamanitra, fisaintsainana ny Tompo ary fianto rahanatanteraka aminy. • 9. Salamo 42. ‡ • 10. Filipiana 4. ¬ ; 1 Samoela1. Úµ ; Salamo 34. Ú¬ • 11. 1 Petera 5. ¬

2. Ahoana no fomba ivavahana?

Hivavaka amin’Andriamanitra « amin’ny fanajana syfatahorana »23 isika raha tena mahatsapa ny fahalehi -beazany, ny fiandrianany, ary ny fahamasinany. Nyfanetrentena, ny fahatsiarovan-tena ho tsinontsi -nona, nefa koa ny fahazoana antoka fa tiana syhenoin-teny, ireo no toetra manamarika izay olonamahalala an’Andriamanitra ho Ray.

Amin’ny fahatsapana ny tsy fahampiantsika

Ny fananana ny fahatsapana ny tsy fahampiantsikano iray amin’ireo fepetra voalohany indrindra takinaraha hivavaka. Tsy mahatsapa ny tokony hiantsoanyan’Andriamanitra izay olona milaza hoe : «Manan-karena… aho, ka tsy manan-java-mahory »24. Mana -tona ny Ray an-tsitrapo kosa ny mpino mahatsapa nyfahantrany ara-panahy. Miantso an’Andriamanitramandrakariva izy, dia Ilay Andriamanitra loharanon’ny soa rehetra25, amin’ireo trangan-javatra rehetra eoamin’ny fiainany. Ary tsy Andriamanitra Izy tenanymihitsy ve moa no zavatra lehibe indrindra ilaintsika ?

Amin’ny fitiavana sy amin’ny finoana

Misy antson’Andriamanitra mandrakariva mialoha nyvavaka. Tsy isika tsy akory no mandray voalohany nyfanapahan-kevitra hivavaka, fa Andriamanitra no

13

23. Hebreo 12. ‡µ • 24. Apokalypsy 3. Ú¬ • 25. Jakoba 1. Ú¬

Fa mivavaka amin’ny Tompo Jesoa ihany koaisika17. Izy no Ilay sakaiza «mifikitra noho ny raha -lahy »18, miombom-pahoriana tanteraka amin’ireoolony19.Tsy manome ohatra, na ahitana fitaomana hiva -

vaka amin’ny Fanahy Masina, ny Testamenta Vaovao.Ampifandrohiziny akaiky dia akaiky kosa anefa nyvavaka sy ny Fanahy Masina. Ny Fanahy Masina nomanome fahalalahana ny mpino ho afaka miantsoan’Andriamanitra ho Ray. Izy no manome ny faha -zoana antoka fa zanak’Andriamanitra marina tokoaizy ireo20. Izy no manampy21 sy manohana azy ireo,ao anatin’ny fiainam-bavak’izy ireo. Izy no mame -traka ao am-pony ny hetaheta holazaina. Izy nomampiboiboika fiderana an’Andriamanitra avy aoanatin’izy ireo. Ary mbola Izy ihany koa no manometeny hoenti-milaza izany22, ka mahatonga ny vavakaataontsika hifanaraka amin’ny sitrapon’Andriama -nitra.

12

17. 2 Korintiana 12. µ ; Asa 7. ƒ∞ • 18. Ohabolana 18. ‡∂ • 19. Isaia63. ∞ • 20. Romana 8. ÚÌ • 21. Romana 8. ‡Ì • 22. 1 Korintiana 2.Ú‡-ÚÒ

amin’izany, dia ny vatolampin’ny tenin’Andriamanitra,ary mametraka ny tokintsika manontolo ao amin’iJesoa Ilay Vatolampintsika. Ilaina ny ananantsikafatokiana ny sitrapon’Andriamanitra manontolo, fatsy hametraka fiahiahiana ao an-tsaintsika29. Mame -traka ny fandresen-dahatra ao anatintsika ny FanahyMasina, rehefa mangataka amin’ny finoana sy arakany sitrapon’Andriamanitra isika, fa efa novalin’An -driamanitra ireo fangatahantsika. Eny, efa novalinysahady izany na mbola tsy tanteraka akory aza ilayzavatra nangatahina30.

Amin’ny fo sy amin’ny saina

Rehefa mivavaka isika dia tsy maintsy manao izanyamin’ny fo31. Tsy hoe fanomezana vahana ny fihetse -ham-po tsy akory no tiana hambara amin’izany, fafanehoana ny zavatra tena ilaina marina sy tsapa. Tsyvoatery manambara izay lalina indrindra ao anatyfontsika ao ireo teny aloaky ny vavantsika, ary metyho fanakonana ny fandavantsika tsy hisokatra amin’Andriamanitra mihitsy aza izy ireny. Tsy ny hevitra tsyakory no entina mivavaka, fa ny tena ; tsy izay zavatrafantatra, fa izay zavatra iainana. Tsy maintsy ahitanataratra ny maha izaho ahy ny vavaka, misy fifan -drohizana eo amiko sy eo aminy.

15

29. Jakoba 1. µ • 30. 1 Jaona 5. Úƒ • 31. Marka 7. Ì

mitaona antsika hivavaka. Araka izany, dia fahasoa -vana atolotr’Andriamanitra antsika ny mivavaka. Tsymitsahatra ny manatona antsika Andriamanitra, arymanasa antsika hanatona sy hitia Azy. Io didy ho tiaan’Andriamanitra io26 no manamontsana ny fiheve -rantsika ho mahavita tena ary miantoka ny fiando -han’ny tena vavaka marina.« Isika tia, satria Izy efa tia antsika taloha »27. Tsy

maintsy mahatsapa ny fitiavan’Andriamanitra isika,raha mivavaka, ka mandray izany amin’ny finoana eoamin’ny fiainantsika. Toy inona tokoa moa ny faha -sambarana amin’ny fahafantarana fa tia antsikaAndriamanitra, fa afaka matoky Azy isika, afakamanaiky hotarihiny ! Ny fitokiana amin’ny fitiavan’Andriamanitra dia mitarika antsika hiantso Azy man -drakariva amin’ireo zavatra tsirairay ilaintsika, hamelaAzy hiditra an-tsehatra amin’ny antsipiriam-piainan -tsika.Ampirisihina hangataka amin’ny finoana isika28,

izany hoe amin’ny fanaovana fanazarana ara-panahyhamela an’Andriamanitra hiditra an-tsehatra, mba«handray an-tanana» izay zavatra, araka ny fiheviny.Ny hoe mangataka amim-pinoana izany dia manga -taka omban’ny fahafantarana fa te hamaly sy afakamamaly Andriamanitra, ary noho izany, dia hamaly.Tsy maintsy miorina tsara eo ambony vatolampy isika

14

26. Matio 22. Ò¬ • 27. 1 Jaona 4. Ú∞ • 28. Jakoba 1. Ì

andrasako tokoa ve izany? ». «Zavatra iray loha nonangatahiko tamin’i Jehovah, izany no hotadia -viko »36. Mahatonga antsika ho mpiombona amin’nyasan’Andriamanitra ny vavaka. Mety hotakian’An -driamanitra ny fandraisana anjara mavitrika avyamintsika, mba hamaliany ny vavaka ataontsika.Fampiasana ny vavaka ho fitaovana handosirantsikatsy hanao izay andraikitra tandrify antsika ny tsyfanekentsika an’izany. I Nehemia, ohatra, dia sadynivavaka ho an’ny mandan’i Jerosalema no nirotsakaan-tsehatra mihitsy koa tamin’ny asa fanarenanaizany.Anisan’ny iray tena manana ny lanjany amin’ireo

toetra ara-môraly takian’ny vavaka ny fahaizanamamela heloka37. Misy fiantraikany amin’ny vavakaataontsika ny fanaovantsika an-dolompo, sy ny fana -nana faka mangidy. Ny fiainantsika manontolo mihi -tsy, aza, no misy akony eo amin’ny fiainam-bavakaananantsika38.

Amin’ny anaran’ny Tompo Jesoaary amin’ny alalan’ny Fanahy Masina

Amin’ny anaran’i Jesoa Tompo no tokony hivavahan -tsika39. Mihaino antsika Andriamanitra, noho nyTompo Jesoa. Midika ho firaisana amin’i Jesoa ny hoemangataka « amin’ny anaran’i Jesoa » : iray fisainana

17

36. Salamo 27. ∂ • 37. Matio 6. Ú‡ • 38. Ohabolana 21. ÚÒ ; Isaia58. ∞ • 39. Jaona 14. Ú∂

Mifanindran-dalana amin’ny hoe «mivavaka amin’ny saina »32 ny hoe «mivavaka amin’ny fo » sy ny hoe«mivavaka amin’ny fanahy ». Tsy hoe ampanginintsikatsy akory ilay saina nomen’Andriamanitra antsika33,rehefa mivavaka isika, fa kosa avela hiasa hanompony Tompo mba hahatakatra, amin’ny alalan’nyfanampian’ny Fanahy Masina, ny hevitr’Andriama -nitra sy ny sitrapony. Ny hoe mivavaka amin’ny sainadia midika hoe fantatsika tsara izay teny tenenintsika,ary mifanaraka amin’ny Soratra Masina ny vavakaataontsika.

Omban’ny toetra ara-môraly mifanarakaamin’izay andrasan’Andriamanitra

Tsy maintsy omban’ny toetra ara-môraly mifanarakaamin’izay andrasan’Andriamanitra ny vavaka ataon -tsika, mba hohenoin’Andriamanitra. Hitahiry antsikaao anatin’ny fanetrentena34 ny fahatsapana ny faha -soavan’Andriamanitra, ka hahatonga antsika tsyhitoky amin’ny herin’ny tenantsika fa hiantoraka kosaamin’Andriamanitra.Tsy maintsy mivavaka amin-kitsimpo35 ihany koa

isika, omban’ny faniriana hankatò sy hiaina mifana -raka amin’izany. Azontsika atao mihitsy ny manon -tany ny tenantsika hoe : «Moa zavatra tena irikotokoa ve ity angatahiko ity ? Moa zavatra tena

16

32. 1 Korintiana 14. Úƒ • 33. Daniela 1. Ú¬ • 34. 1 Petera 5. ƒ • 35.Ohabolana 15. µ

3. Ireo endrika samihafa isehoan’nyvavaka

Zava-dehibe tokoa ny handinihana tsara ny hoeahoana moa no fomba ivavahantsika, fa zava-dehibetoy izany koa ny fandanjalanjana ny votoatin’nyvavaka asandratsika. Ny fiainam-bavaka voalanjalanjadia miseho amin’ny endrika maro. Voalohany:

Ny fiderana sy ny fitsaohana

Mampifantoka ny saintsika amin’Andriamanitra

Koa aoka isika hanatitra ny fanati-pideranaamin’ny alalany (Jesoa) ho an’Andriamanitramandrakariva, dia ny vokatry ny molotra izaymanaiky ny anarany 42.

Tsy misy zavatra sarobidy indrindra ao am-pon’An -driamanitra mihoatra ny fitsaohana sy ny fideranaaterin’ireo zanany. Mitady olona mpivavaka Aminy(mpitsaoka Azy) ny Ray43. Izany no tombontsoa mano -kana ho antsika mandritra ny mandrakizay, ary efamigoka izany sahady isika dieny etỳ an-tany.Ota iray monja mitambesatra amin’ny fieritrere -

tantsika anefa dia efa ampy ho sakana tsy ahafa -hantsika mitsaoka an’Andriamanitra araka ny tokonyho izy.

19

42. Hebreo 13. Úƒ • 43. Jaona 4. ‡Ò

aminy, iray faniriana aminy, iray sitrapo aminy. Midikaihany koa ho fanekentsika ny maha Tompo Azy izany,na eo amin’ny sehatry ny fihetsehampontsika, naamin’ny fisainantsika, na eo amin’ny fanapahan-kevi -tsika, eny, eo amin’ny fiainantsika manontolo mihitsy.Amin’ny alalan’i Jesoa irery ihany no ahazoantsikamivavaka amin’Andriamanitra.Farany, tsy maintsy mivavaka amin’ny alalan’ny

Fanahy isika40. Mifanaraka tsara amin’ny fisainan’nyFanahy ireo fisainana sy ireo faniriantsika, rehefamivavaka amin’ny alalan’ny Fanahy isika. Ireo zavatryny Fanahy no mibahana ao amintsika, ary misitrakany fiombonana aina aminy isika41. Tokony hampi -fantoka ny fijerintsika amin’Andriamanitra isikarehefa miditra eo anatrehany, mba hiasa ao am-pon -tsika ny Fanahiny, hanafana ny fontsika sy hanetsikaazy hivavaka. Afaka ny hivavaka amin-kalalahanaamin’izay isika, rehefa izany, vavaka tsy miolakolaka,amin’ny fo mafana, ary vavaka manan-kery.

18

40. Efesiana 6. Úµ ; Joda ‡† • 41. Romana 8. ƒ ; 2 Korintiana 13. ÚÒ

ara-môraly, ny fitiavany, ireo fahoriana niaretany, nynahafatesany, ny nitsanganany tamin’ny maty, nynanandratana Azy am-boninahitra ho eo an-kava -nan’Andriamanitra.Ny fiderana, toy ny fitsaohana, dia sady azo ataon’

olon-tokana no azo iarahana amin’ny besinimaro,satria ny tena kristiana marina dia isan’ny Eglizy, izaytsy hafa fa vadin’i Kristy. Ny Eglizy no mitsaokaan’Andriamanitra, indrindra indrindra mandritra nyfanompoam-pivavahana, rehefa tafavory manodidinany Tompo Jesoa ireo kristiana. Ny fitsaohana diasetrin’ny fitiavana izay miboiboika avy ao am-pon -tsika, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, omban’nyfisaintsainana ny fitiavan’Andriamanitra. Mametrakaan’Andriamanitra ho ivon’ny fiainantsika.

Ny fiandrandrana an’Andriamanitra

Manokatra ny fontsika amin’Andriamanitra

Ho anao ny fanginana sy ny fiderana,Andriamanitra any Ziona ô 46.

Ny hoe miandrandra an’Andriamanitra dia miandryAzy amin’ny zavatra rehetra, na ny sakafo izany na nytoerana honenana, na ny tolo-kevitra na ny fiaro -vana. Tsy inona ny hoe miandrandra an’Andriamanitra

21

46. Salamo 65. Ú

Ny hoe midera an’Andriamanitra dia maneho nyfiaikena fa mampitolagaga antsika tokoa Andriama -nitra, dia ny momba Azy sy izay ataony. Rehefamanomboka mahatsapa isika fa lehibe sy tsaraAndriamanitra, mahagaga ny voninahiny, dia fenofiderana Azy ny vavantsika !44 Mifamatotra amin’nyfifaliana ny fiderana, fifalian’ny lanitra, izay avy amin’Andriamanitra, ary mahatonga hidera Azy hatrany,eny na ao anatin’ny toe-javatra mifanohitra amin’izay mampifaly aza45.Mifanakaiky ihany ny fiderana sy ny fitsaohana.

Amin’ny fiderana, dia ireo zava-mitranga sy ireozava-tsoa azontsika no tsiahivintsika, fa ao amin’nyfitsaohana kosa, dia miankohoka eo anatrehan’An -driamanitra isika noho ny maha Izy Azy, dia ireotoetrany sy fahatsaràny ; hadinontsika ny mombaantsika ary babo ny amin’Andriamanitra sy nyfanambaràny ao amin’i Kristy isika. Toy ny entanin’nyfifaliana tsy hay lazaina sy be voninahitra isika.Ndeha isika hitanisa vitsivitsy amin’ireo anton-javatratokony hiderana sy hitsaohana an’Andriamanitra : nyfahalehibeazany sy ny fiandrianany hita taratra eoamin’ny fahariana ; ny voninahiny ao amin’ny asaFanavotana ; ireo fikasàny hatramin’izay ka ho man -drakizay, izay mifono fahasoavan-dehibe ho an’nympino ; ny fiainan’ny Tompo Jesoa, ny voninahiny

20

44. Salamo 71. µ • 45. Asa 16. ‡ƒ ; Matio 11. ‡ƒ

Mety misy ireo fahotana vitantsika no mitsingerina aoan-tsaina, rehefa mivavaka na mamaky ny tenin’An -driamanitra isika. Manana vonjy isika, dia ny fibabo -hana izany. Ny fibabohana dia fiaraha-manaiky amin’Andriamanitra ny amin’ny fahadisoantsika, ary milazaizany amin’ny teny. Ilaina ny fanondroana mazava nyfahadisoana natao, rehefa miaiky heloka. Ny hazofi -jaliana nikorianan’ny ra sarobidin’i Kristy no mitambe -rina ao an’eritreritsika, rehefa manatona an’Andriama -nitra mba hiaiky Aminy ny fahotantsika isika.Raha vao mahatsapa isika fa misy zavatra nataon -

tsika tsy mahafaly an’Andriamanitra, dia tokonyhifonana aminy izany, ary mitsahatra tsy manohyizany intsony50. Ny fiaikena heloka no lafiny mam -pietry antsika indrindra eo amin’ny fiainam-bavaka.Koa matetika isika, noho izany, no miezaka ny hanitsytena, mialoha ny hanatonantsika an’Andriamanitra.Midika tsy fahalalana ny fahasoavan’Andriamanitraizany ! Aoka isika hiverina amin’Andriamanitra amin’io maha isika antsika io, ary hanetry tena tanterakaeo anatrehany rehefa izany. Mahatoky sy marina Izy,ka hanadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahama -rinana rehetra51. Ny fitsaharan’ny fanahintsika sy ny

23

50. Ohabolana 28. ÚÒ • 51. 1 Jaona 1. ∞. Tsy maintsy manatonamiaiky heloka amin’izay olona noratraintsika koa isika,omban’ny fanonerana ny tsy nety natao, araka izay azo atao(Levitikosy 5. ƒ ; Nomery 5. ¬). Ny fiaikena heloka amin’ny raha -lahy (Jakoba 5. ÚÌ) dia mety ho tena fanampiana tokoa hisoro -hana izay mety ho fahadisoana any aoriana.

fa ny fahalalana fa Izy irery ihany no afaka hamenoan’ireo tsy ampy eo amintsika, hampahery antsika,hanome fifaliana, hanome antsika fanantenanahavaozina mandrakariva.Manaraka izany, dia midika ho fampanginantsika

ny ao anatintsika sy ny manodidina antsika mbahifantoka amin’Andriamanitra izany47, ka hisokafan -tsika amin’ny fitiavany. Mitaky fotoana sy fisaintsai -nana lalina48 ny fidirana ho eo anoloan’Andriama -nitra. Mitaona antsika hisintaka lavitra an’ireoresadresaka fanao andavanandro sy ny fiahiana an’ireo filàntsika ara-nofo, izany fiandrasantsika amim-panginana an’Andriamanitra izany. Izany indrindra nomaha-tsara ny ananantsika fotoana mangina, amin’ny fiantombohan’ny fotoana ivavahantsika, mbahitodihan’ny saintsika hifantoka amin’Andriamanitra.

Ny fiaiken-keloka sy ny fanetrentena

Mamboraka ireo fahotantsika amin’Andriamanitra

Raha miaiky ny fahotantsika isika, diamahatoky sy marina Izy, ka mamela nyfahotantsika sy manadio antsika ho afakaamin’ny tsy fahamarinana rehetra 49.

22

47. Matio 6. Ì • 48. Mpitoriteny 5. ‡ • 49. 1 Jaona 1. ∞

Tsy isalasalana fa ity endri-bavaka iray ity no tenafanao matetika. Ahitana fitalahoana56, noho ny zava -tra mahatery ny tena, ao anatin’ireo hataka. Ahitanafangatahana, izay amelarana eo anatrehan’Andria -manitra an’ireo zavatra mba tiana ho azo ihany koaizy ireny. Mitondra hafaliana ny fahazoana valinyamin’izay fangatahana natao57, satria mahatongaantsika hahatsapa mantsy izany fa tena tia antsikatokoa Andriamanitra. Tokony hazava tsara ny hatakaataontsika amin’Andriamanitra. Tokony ho amin’nyfomba tsotra no hanaovana izany ary amin’ny fito -kisana tanteraka. Aoka isika tsy hangataka zavatramba «holaniantsika amin’ny filàntsika »58, fa hanga -taka kosa mba hiaina ilay tena fahantrana, andrai -santsika avy amin’Andriamanitra ny zavatra rehetraka ahatsapantsika fa fahasoavana avy Aminy avokoaireny.Ny taraina dia maneho ny fanaintanana izay entin -

tsika eo amin’ny Tompo59. Ary ny sento dia manam -bara ny fihetseham-pon’ny olona difotry ny alahelolalina. Ren’Andriamanitra izany sento izany, ary rai sinyho toy ny vavaka60. Mety ho faniriana mireda redaihany koa no anton’ny sento, faniriana lalina61. Nyhiaka dia antso maika dia maika ataon’izay mahatsiarony tenany ho tapi-dàlan-kaleha, ary ny fanantenana

25

56. Salamo 140. Ì ; Daniela 9. Ú¬, Úµ • 57. Jaona 16. ‡∂ • 58. Jakoba4. ∂ • 59. 1 Samoela 1. ÚÌ ; Salamo 55. ‡ ; Salamo 102 • 60.Romana 8. ‡Ì

fiadanan’ny Tompo no vokatra entin’ny fiaikena amin’Andriamanitra ny heloka vita : «Sambatra ny olonaizay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany »52.Ny fanetrentena53, izay mifanakaiky amin’ny fiai -

ken-keloka, dia toe-po izay mitarika antsika hianko -hoka eo anatrehan’Andriamanitra, mahatsapa ny tsyfahatanterahana ary manaiky amim-pahatsorana nyvokatr’izany. Rehefa manetry tena isika, dia mitsarany ratsy ary mitsara koa ny tenantsika, mitovy fijeryamin’Andriamanitra. Tsy tokony hitarika ho amin’nyfamoizam-po ny fanetrentena, fa mainka hahatongaantsika hitoky tanteraka amin’ny fahasoavan’Andria -manitra irery ihany aza54.

Ny fangatahana

Milaza amin’Andriamanitra an’izay zavatrailaintsika

Aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’nyfisaorana no hoentinareo manambara nyfangatahanareo amin’Andriamanitra, amin’nyzavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriama -nitra, izay mihoatra noho ny fahalalanarehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo aoamin’i Kristy Jesoa55.

24

52. Salamo 32. Ú • 53. 1 Petera 5. Ì • 54. 2 Samoela 16. Ú‡ • 55.Filipiana 4. Ì, ¬

«Andriamanitry ny fahasoavana rehetra » Izy69.Mandray fahazavana hafa ny fiainantsika, rahamanaiky io fanambaràn’ny tenin’Andriamanitra io.Teo amin’ny tranga izay tsy nisy dikany tamintsika teoaloha, no indro isehoan’ny asan’Andriamanitra sy nyfiheverany feno fitiavana ankehitriny. Mitondra nyvoan’ny asa mahatalanjona ataon’Andriamanitra avo -koa ny andro mifandimby, ary samy misarika antsikahitodika Aminy am-panetrentena sy am-pitiavanaavokoa ireny.Misaotra an’Andriamanitra rehefa mamaly antsika

Izy, misaotra Azy noho ireo soa atolony. Na dia aoanatin’ny zava-tsarotra aza isika, na dia ao anatin’nyfijaliana aza, dia tokony hianatra hisaotra an’Andria -manitra noho ny fitiavany, izay tsapa ao anatin’ireoalina lalovantsika.

Ny fanelanelanana

Milaza mikasika ny hafa amin’Andriamanitra

Koa mananatra voalohany indrindra aho mbahatao izay fangatahana, fivavahana, fifonana,fisaorana, ho an’ny olona rehetra70.

Nantsoina hoe «ny fitiavana mandohalika » ny fanela -nelanana, na fivavahana ho an’ny hafa. Ny fivava -hana ho an’ny hafa no fomba mivantana iai nana sy

27

69. 1 Petera 5. Ú† • 70. 1 Timoty 2. Ú

tokana ho famonjena azy dia Andria manitra62. Hontsaisika rehefa mahatsiaro an’ilay hiaka nataon’ny TompoJesoa teo amin’ny hazofi jaliana63.

Ireo fisaorana

Misaotra an’Andriamanitra

Mahareta amin’ny fivavahana, ka miambenaamin’izany amin’ny fisaorana64.

Mifamatotra tanteraka amin’ny hataka ny fisaorana.Moa misaotra ny Tompo isika rehefa mamaly antsikaIzy ? Ny fisaorana dia tokony ho lafiky ny vavakaataontsika65. Eny, tokony handrafitra ny fiainantsikamanontolo mihitsy aza. «Misaotra an’AndriamanitraRay mandrakariva noho ny zavatra rehetra »66. Toetraanaty io, fiainana mitondra mandrakariva ny marikyny fankasitrahana an’Andriamanitra, sy ny fideranavokatr’izany. Izany no niainan’ny Tompo Jesoa fonytonga olona tetỳ an-tany Izy. Tamin’Andriamanitra nonandraisany ny zavatra rehetra, eny fa na ny tenynaloaky ny vavany aza67. Tsy nisy fitsaharana nyfanandratany tamin’ny Rainy ny fanehoam-pitiavanasy ny fisaorana Azy68.

26

61. Salamo 119. ÚÒÚ • 62. Jona 2. Ò ; Salamo 18. Ì • 63. Salamo22. ‡ ; 40. Ú • 64. Kolosiana 4. ‡ • 65. Kolosiana 2. ¬ ; Daniela 6. 10• 66. Efesiana 5. ‡† • 67. aona 8. ‡µ • 68. Jaona 11. ∂Ú ; Marka 8. Ì

Fa ianao kosa, raha mivavaka, dia midira aoamin’ny efitranonao, ka rehefa voarindrinaony varavaranao, dia mivavaha amin’ny Rainao,Izay ao amin’ny mangingina77.

Misy ihany ny fepetra takiana rehefa hivavaka isika.Ilaina ny fananana tontolo tsy misy tabataba, na aoanaty izany na eny ivelany. Ilaina ny fitokanana hoirery tsy misy mpanelingelina78. Misarika ny saintsikahifantoka amin’Andriamanitra ny fifohazan’ny aoanatintsika ao, ny fiandrandrantsika an’Andriamani -tra, ary ny fiankinana Aminy. Afaka ny hifantokaamin’Andriamanitra toy izany koa isika mandritra nyfiaretan-tory ataon’ny vatantsika etỳ ivelany, man -dritra ny fotoana tsy ahitan-tory, mandritra nyfotoana mampandamaka am-pandriana noho ny are -tina, mandritra ny fotoana efa napetraka hanaovan-javatra kanefa tratran’ny sampona…Aoka isika hahay hiato tanteraka rehefa mivavaka.

Aoka isika hianatra hametra ny fandaharam-potoa -nantsika, mba hampifantohana ny saintsika manon -tolo amin’Andriamanitra.Ny fahononantena dia miara-dalana amin’ny

vavaka. Amin’ny fomba ahoana moa no hanehoan -tsika fa miankina amin’ny Tompo tokoa isika, raha toaka be herehina loatra amin’ny fiahiana an’izaofiainana izao? Ilaina ny ananantsika fahononantena

29

77. Matio 6. Ì • 78. Lioka 6. Ú‡ ; Marka 1. Òƒ

anamafisana ny fitiavantsika ny rahalahin tsika71.Mpiara-miasa amin’Andriamanitra izay kris tianamivavaka ho an’ny hafa. Manadino ny tenany izy,amin’izany, ary mihevitra ny hafa. Ady72 mitaky fito -zoana ny fitondrana am-bavaka ny hafa.Ny fitondrana am-bavaka izay rahalahy nanota dia

tsy midika velively ho fanamaivanana ny fahadisoananataony, na fitserana azy. Tsy maintsy mitoetra hompankahala ny ratsy hatrany isika73. «Mihinana eoamin’ny fitoerana masina ny fanatitra noho nyota »74, izany no atao hoe mivavaka ho an’ny hafa,izany hoe manetry tena eo anatrehan’Andriamanitrasatria nahatezitra Azy.Izay mivavaka ho an’ny rahalahiny dia manao izany

noho ny fitiavany azy. Manao izany izy satria fantanyfa izy koa dia mba mitafy fahalemena75. Tsy zavatraatao am-piavonavonana akory io. Zanaky ny famin -dràmpo ny asa fanelanelanana, ary ohatra nomen’Ilaympisoronabentsika tsy manam-paharoa, dia i JesoaKristy Ilay Zanak’Andriamanitra, izany76.

Ny fiaretan-tory, ny fahononantena sy nyfifadian-kanina

Mifehy tena mba ho azon’Andriamanitraampiasaina malalaka kokoa

28

71. 1 Jaona 5. ÚÌ • 72. Kolosiana 4. Ú‡ • 73. Romana 12. ∞ • 74.Levitikosy 10. Ú¬ • 75. Hebreo 5. Ò • 76. Hebreo 5. Ú† ; 8. Ú

4. Ny fanatanterahana ny vavaka

Ndeha àry hezahintsika jerena eto ny sasantsasanyamin’ireo vato misakana ny vavaka, sy ireo vahaolanaentina misoroka izany.

Manokana fotoana ivavahana

Zavatra sarotra ny mivavaka, indrindra moa fa ny hoehanao izany mandrakariva. Tsy maintsy ekentsika tsaraizany. «Tsy mahazaka ny miara-miari-tory amiko nadia ora iray ihany aza ianareo! »85. Arakaraka nymampahavesatra ny vavaka no mahatonga antsikahanamaivana azy. Vokany, misy fihemorana nyfiainam-panahintsika. Mba hialantsika amin’izany àry,dia tsy maintsy mahatsapa isika fa Andriamanitramihitsy no manome antsika ny hetaheta hivavaka86.Fanomezana avy amin’Andriamanitra ny vavaka87.Aoka horaisintsika izany fanomezana izany, aoka hoe -kentsika io hetaheta ny hivavaka io, ary aoka isika tsyhihevitra ny hanao zavatra hafa na inona na inonamandritra ny fotoana atokantsika ivavahana.Aoka isika tsy hihevitra fa hahavita ny hivavaka,

raha tsy miezaka ny hanao izany. Tsy vitan’ny fana -pahan-kevitra fotsiny io, fa tena fandaminan tsika nyfiainantsika mihitsy mba hanokanana fotoana ivava -hana, ary hanaovana izany ara-potoana. Izany no

31

85. Matio 26. ∂† • 86. Filipiana 1. ∂ ; 2. ÚÒ • 87. Salamo 40. Ò

mandrakariva. Ilaina ihany koa indraindray ny fano -kanana fotoana ifadian-kanina79, raha toa izany kamifandraika amina filàna ao anatintsika mba hianto -rahan’ny fanahintsika manontolo amin’Andriama -nitra80.Mahatonga ny tena hanome toerana kokoa «ny

zavatra any ambony»81 ny fifadian-kanina. Metyhahatsiaro tena ho mila fotoana ifadian-kanina nykristiana, ao anatin’ny fotoana isedrany fakàmpa -nahy82. Manao izany izy mba hikatsahana fatratra nyfanatrehan’Andriamanitra. Afaka manokana fotoanaifadian-kanina koa izy rehefa handray fanapahan-kevitra iray83, na mba hanamorana ny vavaka aoanatin’ireo zava-tsarotra sasantsasany diaviny84.

30

79. Asa 13. ‡ • 80. Loza mitatao amin’ny fifadian-kanina nefany mety hahalasa azy ho fireharehana na asa atao hahazoanasitraka amin’Andriamanitra. Mety ho tafaroboka amin’ilayantsoina hoe « fampahorian-tena » ihany koa isika, ka hamehyny tena tsy hikasika an’izao na izatsy, kanefa manao izany hohaitraitra ihany (Kolosiana 2. ‡Ú-‡Ò). • 81. Kolosiana 3. Ú • 82.Matio 4. ‡ • 83. Lioka 6. Ú‡ ; Asa 13. ‡ • 84. Marka 9. ‡∞

vavaka tsy akory ny toetran’ilay vavaka. Ny fihetsikarehetra baikoin’ny fihetseham-po dia mampivaona nyvavaka tsy hanao an’Andriamanitra ho ivony, famanao ny tenantsika kosa ho ivony. Tsy hoe ny haha -tsapantsika tena ho metimety, aorian’ny vavaka atao,tsy akory, no tanjon’ny vavaka, fa ny mba hahala -lantsika kokoa an’Andriamanitra, ny mba hitom -boantsika amin’ny fahaiza-mamantatra ny sitrapony,ary ny mba hahaizantsika manaja Azy bebe kokoa.Raha ambara indraim-bava dia io no fiainana an’ilayantsoin’ny Baiboly hoe fatahorana an’Andriamanitra.

Mandresy ireo fisalasalana sy ny tsy fahazoanaantoka

Ny finoana an’Andriamanitra no lohalaharana aoanatin’ny vavaka90. Ka inona àry izany no hatao rahatojo fisalasalana? Misy fanavahana tokony hatao eto :karazany roa ny fisalasalana. Ny iray mampanalavitraamin’Andriamanitra, ary ny iray kosa mitarika hana -tona Azy. Ao ny fisalasalana noho ny tsy finoana, ilayfisalasalana tsy mety mino91, mandà tsy hijery nyzavatra ilaina, ary tsy mety manatona an’i Jesoa. Otatokony ibabohana sy ialàna izany. Ilay fisalasalanakarazany faharoa kosa dia avy amin’ny fahalemen -tsika. Tebiteby lalina anaty izy io, maharary, ary faha -lemena manimba ny fanahintsika92. Mety ho re

33

90. Hebreo 11. Ì ; Matio 21. ‡‡ ; Jakoba 1. Ì • 91. Jaona 5. ∂Ò • 92.Marka 9. ‡∂

ohatra hitantsika tamin’i Daniela sy tamin’ireo apos -toly, ary hamafisin’ireo fananarana miverimberina aoamin’ireo episitily. Mazava fa ao tokoa ireo sakantsa -kana, ireo adidy aman’andraikitra, ireo zavatra tokonyhatao… Kanefa, aoka isika ho hentitra, omban’nyfanampian’Andriamanitra, mba hihazona an’iofotoana natokana ivavahana io. Aoka isika hiandryan’Andriamanitra, fa Izy no handamina ireo olanaisan-karazany. Amin’ny fotoana ahatsapantsika nytenantsika ho malemy indrindra no mahatongaantsika hahery, satria mitoetra ao anatintsika nyherin’i Kristy88.

Mampitodika ny fontsika anyamin’Andriamanitra

Rehefa mivavaka isika indraindray, dia tsapantsika nyfanatrehan’Andriamanitra, ka mitondra fiadanana symampahery ary mampifaly antsika izany. Fa indrain -dray kosa, zary lasa fahazarana fotsiny ihany koa nyvavaka ataontsika, vavaka mangatsiaka sy tsy misyaina. Toa lavitra antsika Andriamanitra. Zavatra efanodiavin’ireo mpino ao amin’ny Testamenta Talohakoa izany. Tsy hoe nitsahatra tsy nivavaka intsony izyireo rehefa tojo izany, fa nizara izany kosa tamin’nyTompo89. Ary eo indrindra no fanafan’io olana io.Aoka homarihina koa fa tsy azo refesina amin’ny

fihetseham-po tsapantsika eo am-pamaranana ny

32

88. 2 Korintiana 12. ∞ • 89. Salamo 10. Ú ; 13. Ú

Manosika azy hivavaka ny fahatsapany tena homarefo94, mba handraisany ny vonjy avy amin’nyindrafon’ny Tompo.Mety ho tena be herehina koa isika, ka tsy mahita

fotoana intsony mba hiarahana amin’Andriamanitra.Tsy voatery hisy hatrany ny fivavahana ao an-tsainana amin’ny teny, fa ny fanahin’ny vavaka kosa diatokony ho eo mandrakariva95. Tian’ny Tompo haha -tsapa lalandava ny fanatrehany isika. Tsy maintsymitoetra ao amin’ny fitiavany antsika isika, raha tehahatozo mivavaka. Ny fitiavana izay naidin’nyFanahy Masina ao am-pontsika mantsy no herin’nyfiainam-bavatsika96.

Mandinika sy misaintsaina nytenin’Andriamanitra

Iray amin’ireo fanoitra lehibe nomena ny kristianahikolokoloany ny fiainam-bavaka ananany, ny fama -kiana sy ny fisaintsainana ny Soratra Masina. Tsy azosarahina, toy ny fifohana rivotra sy ny famoahan’nyavokavoka izany, ny famakiana ny Baiboly sy nyvavaka97. Zava-dehibe ny ihazonana an’io fifandan -jana misy eo amin’ireo zavatra roa loha ireo io. Ho

35

94. Salamo 6. ‡ • 95. 1 Tesaloniana 5. Ú¬ • 96. Romana 5. ƒ • 97.Jakoba (Genesisy 31. ÚÒ ; 32. ∞) ; Mosesy (Eksodosy 33. Ú‡-ÚÒ ;Nomery 7. µ∞) ; Davida (2 Samoela 7. ‡¬) ; Daniela (Daniela 9.‡-Ò) ; Habakoka (Habakoka 3. ‡) ; Ampitahao ihany koa ny Lioka10. Òµ-∂‡ sy ny Lioka 11. Ú-ÚÒ.

maharary na tsia ireo fikorontanan’ny finoana ireo,ary mety haharitra na mety hihelina ihany. Tsy hiton -dra tebiteby anaty na fikorontanan-tsaina ho antsikaintsony io karazam-pisalasalana faharoa io, raha fan -tatsika fa fizahan-toetra avelan’ny Raintsika, dia IlayRain’ny fanahy93, hianjady amintsika izy ireny. Hozary lasa fomba ahazoantsika miantoraka amin’An -driamanitra aza ireny. Toetra manokan’ny finoanaizany.

Mitoetra mandrakariva ao amin’ny fiankinanaamin’ny Tompo

Sakana iray koa eo amin’ny fiainam-bavaka ny firo -nantsika ho amin’ny fahaleovantena. Hadinontsikamora foana ny mivavaka rehefa mandeha tsara nyzava-drehetra. Manalavitra an’Andriamanitra isika,ary te hiaina amin’ny herintsika samirery. Rehefa tojotsy fahombiazana isika vao midodododo miverinaamin’ny Tompo. Mila Azy isika amin’ny zavatrarehetra.Miara-dalana ny fahalemena sy ny finoana, araka

ny fomba fiteny. Izay mahatsapa ny tenany ho tenamalemy ihany no tena mahay mivavaka. Fantany fatsy ho tafavoaka mihitsy izy raha amin’ny herin’nytenany samirery, hany ka entiny eo amin’Andria -manitra isan’andro isan’andro ny filàny, na amin’nysehatra inona izany na amin’ny sehatra inona.

34

93. Hebreo 12. ∞

finoana. Misy boky iray manontolo ao aminy, izaysaika tsy mirakitra afa-tsy vavaka fotsiny. Tsy inona iofa ny bokin’ny Salamo, izay antsoina hoe ivon’nyBaiboly. Mampahery antsika ny mamaky sy misain -tsaina ireny vavaka voarakitra ao amin’ny SoratraMasina ireny. Ilaintsika mihitsy ny miverina amin’ilayvavaka modely nampianarin’ny Tompo Jesoa ny mpia -nany98, mba hifantoka amin’ny votoatin’io vavaka iokoa ny vavaka ataontsika.

Manoa sy manao izay ankasitrahina eoimason’ny Tompo Jesoa

Ampifandraisin’ny apostoly Jaona mazava tsara nyvalim-bavaka sy ny fitandremana ny didin’ny Tom -po99. Tsy hoe ny fananantsika fiainam-pankatoavanatsy akory no ianteherantsika mba hamaliana nyvavaka nasandratsika, fa ny fahasoavan’Andriama -nitra irery ihany no andrandraintsika amin’izany.Saingy, tsy mamaly ny vavaka ataontsika kosa Andria -manitra, raha toa isika tsy mitady ny hanao izayankasitrahina eo imasony na tsy mety manoa100.Farany, ny fanoitra lehibe mba hahazoantsika

valim-bavaka dia ny fitoerantsika ao amin’i Kristy101

(ny fiombonana), ny fitoeran’ny Teniny ao anatintsika(fankatoavana), ary ny fivavahana amin’ny alalan’nyFanahy Masina.

37

98. Matio 6. ∞-ÚÒ • 99. 1 Jaona 3. ‡‡ • 100. Isaia 59. Ú-‡ • 101.Jaona 15. ¬

tonga maina sy tsy misy aina vetivety foana eo ireoizay fatra-pandalina ny Soratra Masina kanefa tsymivavaka. Ho latsaka tsy ho ela amin’ny fanaovanahataka manjavozavo, tsy hita fototra, ary hanolo nyfisainan’Andriamanitra amin’ny fisainan’ny tenanykosa, ireo izay mivavaka kanefa tsy manokam-potoana amakiana ny tenin’Andriamanitra. « Fifampi -resahana amin’Andriamanitra ny vavaka ataonao.Andriamanitra no miteny aminao rehefa mamaky nyTeny ianao, ary Andriamanitra kosa no iresahanaorehefa mivavaka ianao » (Md Augustin).Ny hamantatra bebe kokoa ny Tompo no katsahin -

tsika rehefa mivavaka sy mandinika ny Teniny isika.Manao izany isika mba hitombo hatrany amin’nyfanaovana an’izay ankasitrahina eo imasony, sy mbahitomboan’ny fitiavantsika Azy. Ny hoe mandinika nyBaiboly dia fanokanana fotoana mba isaintsainana nyteny ao amin’ny Soratra Masina, ny heviny, ny endrikasamihafa isehoany, ary ny vokany eo amin’ny fiai -nantsika. Ny Fanahy Masina no mikasika ny fontsikarehefa mandinika ny Baiboly isika, ka manetsikaantsika hanandratra fiderana, fisaorana, nefa koafiaiken-keloka, fivavahana ho an’ny hafa… Milazaireo fangatahana vokatry ny famakiana ny SoratraMasina ny vavaka ataontsika, ary mihamahery nohoireo teny fampanantenana avy amin’Andriamanitra.Ny Soratra Masina dia mitatitra amintsika ny

vavaka maro nataon’ireo lehilahy sy vehivavy nanana

36

maniry ny hanompo izany ohatra izany. Mivavakamba hangataka amin’Andriamanitra ny fanampiany,ary mamela ny Fanahy Masina hiasa ao anatintsika.

Fa mainka niely bebe kokoa ny lazany, dianiangona ny vahoaka betsaka hihaino Azy syhositranina tamin’ny aretiny. Ary niala teo Izy,dia nitoetra tany an’efitra ka nivavaka106.

Nitady ny fankasitrahan’ny Ray, fa tsy ny an’ireovahoaka marobe, ny Tompo. Hahay hitandrina tsyhitady sitraka sy dera mety hahasolafaka azy ny mpa -nompon’Andriamanitra mahatoky, na dia misonga -dina eo amin’ny fanompoana aza. Hivavaka amin-kafanampo izy mba ho tafatoetra mandrakariva aoamin’ny fanetrentena.

Ary tamin’izany andro izany dia lasa nankanyan-tendrombohitra Jesoa mba hivavaka ; arynaharitra nivavaka tamin’Andriamanitranandritra ny alina Izy. Ary nony maraina nyandro, dia nantsoiny hanatona Azy nympianany, ka nifidianany roa ambinifolo lahy,izay nataony hoe Apostoly 107.

39

102. 1 Petera 2. ‡Ú • 103. Matio 11. ‡ƒ-‡¬ ; Jaona 11. ∂Ú-∂‡ • 104.Matio 14. ‡Ò • 105. Lioka 3. ‡Ú-‡‡

5. Ny ohatra nomen’i Kristy

Tianay ny hamelatra eo anoloan’ny tsirairay ny ohatranomen’i Kristy, eto am-pamaranana. Namela ohatramba hotahafintsika Izy102; Izy, izay tanteraka, no Ilayolom-bavaka. Noporofoiny tao anatin’ireo fampiana -rany sy teo amin’ny fiainany manontolo io anjara asafototra fonosin’ny vavaka io. Nivavaka tamin’ny RainyIzy, tamin’ny toerana rehetra sy tamin’ny fotoanarehetra103, ary nandany alina maro manontolo hiva -vahana104. Ny vavaka no porofon’ilay fatokiany nyRainy tsy azo hozongozonina, izay no mampiseho ilayfifamatorana aina misy eo Aminy sy ny Ray. Imbe -tsaka ny filazantsaran’i Lioka, izay manindry ny mahaolona Azy, no maneho amintsika an’i Jesoa mivavaka.

Ary rehefa natao batisa ny vahoaka rehetra,ary Jesoa koa efa natao batisa sy nivavaka, dianisokatra ny lanitra ; ary ny Fanahy Masinanidina teo amboniny, ka ny endriny dia tahakany voromahailala ; ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe : Ianao no Zanako malalako,Ianao no sitrako105.

Mampifandray ny vavaka sy ny Fanahy Masina ireoandininy ireo. Omena an’ireo mpino rehetra izay

38

106. Lioka 5. Úƒ-ÚÌ • 107. Lioka 6. Ú‡-ÚÒ

Ary rehefa tokony ho havaloana taorian’izanyteny izany, dia nitondra an’i Petera sy i Jaonaary i Jakoba Izy ka niakatra tany an-tendrombohitra hivavaka109.

Eo am-pivavahana i Jesoa tamin’ilay fotoana hise -hoan’ny voninahiny. Tsy nisy na inona na inona naha -sarika Azy hiala tamin’ilay fiankinana sy fitokianaamin’ny Rainy. Tafiditra ao anatin’ilay voninahitry nyTompo ny fanetrentenany, isika kosa anefa moralatsaka amin’ny fanandratan-tena.

Ary Jesoa nivavaka tao amin’ny fitoerana iray,ka rehefa nitsahatra Izy, dia hoy ny mpiananyanankiray taminy : Tompoko, mampianaraanay hivavaka110.

Tombontsoa goavana tokoa izany hoe nandre nyTompo Jesoa mivavaka ! Ny hampianatra antsika hiva -vaka koa no faniriany. Ny fiainam-bavaka dia miantsofiainam-bavaka, manetsika an’ireo mpianany hana -haka Azy izany fihetsiky ny Tompo kanto loatra izany.

Ary Izy nihataka taminy tokony ho indraymitora-bato, dia nandohalika ka nivavaka hoe :Raiko ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity

41

109. Lioka 9. ‡µ • 110. Lioka 11. Ú

Entina manambara ny fiombonana ny tendrombo -hitra, ao amin’ny Soratra Masina. Nahoana moa notsindriana fatratra ny matoanteny hoe mivavaka, aoamin’io andininy io ? Noho ilay fanapahan-kevitralehibe tsy maintsy horaisiny ny ampitson’io, angaha :ny fifidianana an’ireo apostoly roa ambinifolo. Toyizany koa, mila miresaka amin’Andriamanitra ny kris -tiana, mialoha ny handraisana izay rehetra mety hofanapahan-kevitra, mba ho Izy no hitari-dalana amin’izany. Toy inona ny fahasamihafana misy eo amin’nyfanapahan-kevitra noraisina vokatry ny fisainantsikasamirery, sy ny fanapahan-kevitra noraisina araka nyfitarihan’ny Tompo !

Ary raha nivavaka tao amin’ny manginginaJesoa, sady teo aminy ny mpianany…108.

Nivavaka ny Tompo mialoha ny hanontaniany nympianany. Tsy maintsy Andriamanitra mihitsy nomiasa ao anatin’izy ireo vao afaka ny hahalala izy ireohoe iza marina moa ity Jesoa ity, ka haneken’izy ireony zara fahoriana tsy maintsy hozakainy. Ny mitoryny Teny dia tokony hiaraka mandrakariva amin’nyvavaka ho an’ireo izay handre izany.

40

108. Lioka 9. Úµ

vavany114, dia nanolotra tamim-piadanana ny fana -hiny tamin’ny Rainy. Tenim-patokiana tanteraka noteny farany naloaky ny vavany, mialoha ny hahafa -tesany. Afaka mitoky tanteraka amin’Ilay Andriama -nitsika sady Raintsika, tahaka Azy ihany koa, isika.Mitantana ny tsirairay amin’ireo zanany izay mandalony fahafatesana Izy.

Dia nanandratra ny tanany (Izy), ka nitsodranoazy. Ary raha mbola nitsodrano azy Izy, dianisaraka taminy ka nakarina ho any an-danitra 115.

Sady nivavaka no nitsodrano an’ireo mpianany nyTompo Jesoa raha niakatra tany an-danitra. Izy nompisoronabentsika tsy manam-paharoa any an-danitra, ankehitriny. Mivavaka ho an’ireo rehetramametraka Aminy ny tokiny Izy. Ary ny tena zava-dehibe indrindra angamba, ho an’ny fiainantsika am-bavaka, dia ny fahalalana fa mivavaka i Jesoa amin’izao fotoana izao, mivavaka ho anao sy mivavaka hoahy116.

43

114. Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no diamahafoy Ahy Ianao ? (Matio 27. ∂Ì). • 115. Lioka 24. ƒ†-ƒÚ • 116.Hebreo 7. ‡∂-‡Ì

kapoaka ity ; nefa aoka tsy ny sitrapoko anieno hatao, fa ny Anao. Ary fadiranovana Izy, kadia nivavaka mafimafy kokoa ; ary ny dininydia tahaka ny ra nipotrapotraka tamin’nytany 111.

Ao anatin’izany ady laroana fangorohoroana anatyizany no ampandeferan’ny Zanaka ny sitrapony masinamanoloana ny sitrapo masin’ny Ray. Mison gadina nyelanelana misy eo amin’ny toetsaintsika sy ny toe -tsain’ny Tompontsika ! Miara-miasa hampami rapiratrany voninahiny avokoa, dia famirapiratana tsy manam-paharoa, ny zavatra rehetra.

Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izayataony 112.

Izany no teny voalohany raisintsika avy amin’i Jesoavoahombo teo amin’ny hazofijaliana. Vavaka izany. Tsymba ny tenany no noheveriny, fa ny nivavaka ho an’ireo mamono Azy no nataony.

Raiko ô, eo an-tananao no atolotro nyfanahiko113.

Rehefa avy niaritra ny fandaozan’Ilay Andriama -niny Izy, araka ny teny fahefatra naloaky ny

42

111. Lioka 22. ∂Ú-∂‡ • 112. Lioka 23. ÒÒ • 113. Lioka 23. ∂Ì

Ny fivavahana ho an’ny hafa dia milaza fa akaikykokoa an’Andriamanitra isika, mba hamantatra ireofilàn’ny Fiangonana.

J. N. Darby

Aza miresaka ny amin’Andriamanitra mihitsy raha tsyefa niresaka tamin’Andriamanitra.

Coleridge

45

6. Fehiny : ireo fihevitra mikasika nyvavaka

Ny vavaka dia firesahana malalaka amin’Andriama -nitra, toy ny firesahan’ny zanakalahy amin’ny rainy,ary fangovitana masin’ny «mety maty » eo anatrehan’Andriamanitra.

A. Monod

Tombondahiny lehibe tokoa ny vavaka. «Efa sahyniteny tamin’ny Tompo aho, nefa vovoka sy lavenona».

hoy i Abrahama117.

Mora kokoa ny zavatra rehetra rehefa mivavaka.hoy ny filazan’ity zaza anankiray

Anaka, aza hafohezina mihitsy ny fihaonanao amin’Andriamanitra, ny maraina mialoha ny hivoahanao nytrano.

hoy i Wilberforce tamin-janany

Tsy misy azo ampitahaina amin’ny hery mampireda -reda ny fo hanandratra fiderana, raha te hanafaka azyamin’ireo fatopatotr’izao tontolo izao.

G. V. Wigram

44

117. Genesisy 18. ‡¬

Misy asasoratra maro hafa koa manadihady nylohahevitra izay hitanao tato. Manentana anaoizahay hamaky azy ireto :

Tsy misy valiny ny vavako

Ny vavaka

Ireo karazam-bavaka

Ny fomba famalian’Andriamanitra ny vavaka

46