78
NY F A NEHOA NA A N’A NDRIAMANITRA Ndao isika hijanona hitsangana vetivety fotsiny raha manondrika ny lohantsika ho an’ny vavaka isika. 2 Tomponay Mpiahy, tena mankasitraka tokoa izahay androany ho an’ity tombontsoa izay anananay ity ny amin’ny fanakambanana ny tenanay miaraka eto ambonin’ny tany mialohan’ny Fihavian’ny Tompo. Enga anie izahay handinika ny fonay androany, amin’ny alàlan’ny Teninao, ka hahita raha ao amin’ilay Finoana izahay, mba hahafahanay ho vonona, dia, amin’ny ilay oran’ny Fisehoany. Mba hahatonga anay ho araka ny nolazain’ny Soratra hoe, “Niara-nakarina, miaraka amin’ireo izay nodimandry, ka hitsena ny Tompo eny amin’ny habakabaka, ary hiaraka Aminy mandrakizay.” 3 Misaotra Anao izahay ny amin’ilay Fanahy Kristiana marina izay mbola eto amin’izao tontolo izao, eo anivon’ny olona, ka mbola mino Anao sy ny Teninao izy ireo. Noho izany dia mangataka an’ireo Fitahianao izahay ho eo aminay androany, ka Harotsakao eo amin’ny tsirairay avy aminay izay ilainay, mba hahatonga anay ho voatondraky ny Teninao, mba hahatonga anay hitombo ho fitaovana ilaina eo an-Tànanao, ho an’izao andro farany izao. Fa mangataka an’izany amin’ny Anaran’i Jesosy Kristy Tompo izahay, ilay Mpiandrinay lehibe, izay antenainay hiseho. Amena. Afaka mipetraka ianareo. 4 Ary tiako ny milaza fa mandray an’izao ho tombontsoa iray lehibe aho izao maraina izao ny amin’ny maha-eto indray. Ary miala tsiny fa tsy manana efitra ampy hipetrahana izahay. Ary hiezaka izahay, rahariva, ankehitriny ny hanana vavaka ho an’ny marary; androany, izao maraina izao, dia ho sarotra kely izany. 5 Ary—ary saika handray feo an’ity Hafatra ity aho androany. Izaho…Toy ny hoe nifanaraka tamiko ny Tompo mikasika an’izany, oh, iray na roa volana lasa izay, ary lava ilay izy. Ary tsy dia manana fotoana aho ao amin’ireo fivoriana, satria isika dia mametra an’izany ho telopolo, efapolo minitra amin’ny fotoana. Ary avy eo isika…Satria tsy maintsy handeha hiasa ny olona sy ny sisa, dia hitako ilay izy fa tsaratsara kokoa raha ataoko fohy ireo Hafatro. Ary tsy nanana fotoana handraisam-peo an’izany izy ireo tany, koa dia nihevitra aho fa hiandry mandra-pahatongako eto amin’ny tabernakla ary avy eo dia handray feo an’izany avy eto. Fa

NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

  • Upload
    others

  • View
    0

  • Download
    0

Embed Size (px)

Citation preview

Page 1: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

NY FANEHOANA

AN’ANDRIAMANITRA

Ndao isika hijanona hitsangana vetivety fotsiny raha manondrika ny lohantsika ho an’ny vavaka isika.2 Tomponay Mpiahy, tena mankasitraka tokoa izahay androany ho an’ity tombontsoa izay anananay ity ny amin’ny fanakambanana ny tenanay miaraka eto ambonin’ny tany mialohan’ny Fihavian’ny Tompo. Enga anie izahay handinika ny fonay androany, amin’ny alàlan’ny Teninao, ka hahita raha ao amin’ilay Finoana izahay, mba hahafahanay ho vonona, dia, amin’ny ilay oran’ny Fisehoany. Mba hahatonga anay ho araka ny nolazain’ny Soratra hoe, “Niara-nakarina, miaraka amin’ireo izay nodimandry, ka hitsena ny Tompo eny amin’ny habakabaka, ary hiaraka Aminy mandrakizay.”3 Misaotra Anao izahay ny amin’ilay Fanahy Kristiana marina izay mbola eto amin’izao tontolo izao, eo anivon’ny olona, ka mbola mino Anao sy ny Teninao izy ireo. Noho izany dia mangataka an’ireo Fitahianao izahay ho eo aminay androany, ka Harotsakao eo amin’ny tsirairay avy aminay izay ilainay, mba hahatonga anay ho voatondraky ny Teninao, mba hahatonga anay hitombo ho fitaovana ilaina eo an-Tànanao, ho an’izao andro farany izao. Fa mangataka an’izany amin’ny Anaran’i Jesosy Kristy Tompo izahay, ilay Mpiandrinay lehibe, izay antenainay hiseho. Amena. Afaka mipetraka ianareo.4 Ary tiako ny milaza fa mandray an’izao ho tombontsoa iray lehibe aho izao maraina izao ny amin’ny maha-eto indray. Ary miala tsiny fa tsy manana efitra ampy hipetrahana izahay. Ary hiezaka izahay, rahariva, ankehitriny ny hanana vavaka ho an’ny marary; androany, izao maraina izao, dia ho sarotra kely izany.5 Ary—ary saika handray feo an’ity Hafatra ity aho androany. Izaho…Toy ny hoe nifanaraka tamiko ny Tompo mikasika an’izany, oh, iray na roa volana lasa izay, ary lava ilay izy. Ary tsy dia manana fotoana aho ao amin’ireo fivoriana, satria isika dia mametra an’izany ho telopolo, efapolo minitra amin’ny fotoana. Ary avy eo isika…Satria tsy maintsy handeha hiasa ny olona sy ny sisa, dia hitako ilay izy fa tsaratsara kokoa raha ataoko fohy ireo Hafatro. Ary tsy nanana fotoana handraisam-peo an’izany izy ireo tany, koa dia nihevitra aho fa hiandry mandra-pahatongako eto amin’ny tabernakla ary avy eo dia handray feo an’izany avy eto. Fa

Page 2: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

2 NY TENY VOAMBARA

somary lava kely ilay izy, ary fantatro fa mitsangana ianareo, ary izaho—izaho dia halaky haingana arak’izay vitako. Ary, ankehitriny, tsy hanelingelina ahy ianareo raha hifanakalo toerana, na inona koa, izany dia—izany dia ho mety tanteraka mihitsy amiko satria izao dia andro iray manokana izay hanaovantsika mihitsy an’ireo fandraisam-peo ireo.6 Ary dia nahazo tatitra tsara izahay ny amin’izay nataon’ny Tompo tany amin’ny saha, saingy mety hanome betsaka ny amin’izany izahay rahariva rehefa afaka manome fotoana betsaka ho an’izany isika, hanana fotoana betsaka hanomezana.7 Ary ankehitriny dia mahatoky izahay fa hitahy ny tsirairay avy aminareo ny Tompo. Fantatro fa feno hafaliana ny fonareo, miandry ny Fihavian’ny Tompo. Ary ny ahy ihany koa, miboiboika, ny hahita an’ireo zavatra izay mitranga amin’ny fisehony. Ary—ary ny adin’ny firenena, sy ilay fiangonana ao amin’ny toerana izay misy azy, ary mahita an’ireo famantaran’ny Fihaviany, na ara-batana na ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno hafaliana fotsiny ny fontsika mba hahafantatra fa hovaina isika indray andro any. Hovaina hiala amin’ireo famoronana izay maha-izy antsika isika.8 Ankehitriny, mino aho, raha azoko, fa mihaino amin’ny fifandraisana an-telefona izy ireo any ho any, hoe ity Hafatra ity dia handeha any Phoenix sy any—sy any amin’ny ampahany samihafa, amin’ny alàlan’ny telefona. Ary noho izany ankehitriny dia mahatoky isika fa raha izany no tena…Izaho tsy mahafantatra; nolazaina fotsiny izany talohan’ny nidirako. Ary—ary ny olona rehetra any dia tena faly fa salama tsara ary—ary ny Voninahitry ny Tompo no teo amin’izy ireo.9 Ary ankehitriny—ankehitriny dia hanokatra ny Tenin’ny Tompo isika. Ary ny antony maha-eto antsika rehetra dia ny hampifaly ny tenantsika sy hanao fitandremana tsara an’izay maha-izy antsika…Isika—isika dia tsy tonga eto mihitsy ary isika dia…Tsy misy anankiray amin’izay manatrika eto ka mahafantatra fa ny olona dia hipetraka ato amin’ity hafanana tahaka an’izao ity, hoe ho an’ny hevitra iray ny ho tonga eto fotsiny. Tonga eto isika ho an’ny tanjona anankiray, ary izany dia, “famindràna akaiky kokoa miaraka amin’Andriamanitra.” Ny hany azontsika hatao, dia ny mino fa miaraka amintsika ny Tompo Jesosy. Ary eto isika mba—mba hamindra akaiky kokoa miaraka Aminy.10 Ankehitriny dia mafy kely amiko izao hafanana izao. Efa zatra kely an’ilay hafanana maina any Tucson aho, izay…Ilay hamandoana eto ankehitriny; ny hafananay any dia mafana be lavitra noho izao, saingy maina ilay izy. Ny

Page 3: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

NY FANEHOANA AN’ANDRIAMANITRA 3

hamandoanay indraindray dia iray ampaha-roapolon’ny iray isan-jato, angamba, zavatra tahaka an’izany, saiky toy ny miaina ao ambanin’ny trano lay misy rivotra fotsiny. Fa ny eto dia misy an’ilay—ilay—ilay hamandoana ao anatiny, ary izany dia manao anareo hahatsapa kely an’ilay “foana tanteraka,” araka ny fiantsoantsika azy fahiny. Noho izany dia mafy aminareo ilay izy, noho izany dia fantatro izany, ary ianareo reny miaraka amin’ny zaza kelinareo ary ianareo olona izay mitsangana, antitra sy tanora, ary miara-mipetraka tahaka anareo izao. Ary ankehitriny izahay dia—izahay dia manantena fa Andriamanitra no hamaly fitia anareo betsaka noho ny fanoloran-tenanareo.11 Fantatro fa eto i Rahalahy Roy Borders any ho any. Nandre azy nanao filazana aho, saingy ataoko angamba fa tsy afaka niditra izy. Eny àry. Ilay mpikarakara ny fivoriana izany.12 Koa ankehitriny tianay ihany koa ny milaza fa ny anankiray izay teto anivontsika fahiny dia lasa nihaona amin’ny Tompo izao maraina izao, lehilahy iray, Rahalahy Jackson avy any Sturgis, Michigan. Tsy misy anankiray mahafantatra hoe ahoana no nahalasanany na ahoana ny mikasika an’izany. Salama tsara izy, ary izy fotsiny…Heveriko fa efa maty izy no hitan’izy ireo, na tahaka an’izany. Izaho—izaho tsy naharay ny antsipirian’ilay izy. Ary tena mankasitraka an’Andriamanitra isika fa Kristiana iray Rahalahy Jackson. Taona maro no tsy nahitako azy, saingy efa nipetraka teo anivontsika izy ary isan-tsika izy. Hampiala sasatra ny fanahiny mahery anie Andriamanitra! Ny lasa tahaka an’izany, mino isika fa zavatra anankiray angamba izany, hoe izany no fotoana handehanany. Tsy nampilaza mialoha antsika ny amin’izany mihitsy ny Tompo, na taminy ny amin’izany, lasa fotsiny izy. Izany ilay fomba naha-izy azy. Ary te-hiantso ny vadiny haingana mihitsy arak’izay vitako aho, ka hilaza aminy ny alahelontsika. Ary te-hisaotra an’Andriamanitra isika rehetra ny amin’ny fiainany mahery Kristiana, sy izay naha-izy azy teto an-tany teto, ary indrindra ho antsika ato amin’ity fiangonana eto an-toerana ity.13 Ankehitriny rahariva, efa nolazaiko fa hisy vavaka ho an’ny marary rahariva, ary hiresaka betsaka mikasika ny marary aho rahariva.14 Fa ho an’ity fotoana ity, dia ndao isika hiditra avy hatrany ao amin’ny Teny ankehitriny, satria hipoka ilay izy sady mafana. Hiditra avy hatrany ao amin’ny Teny isika. Tiako ny hamaky ampahany anankiroa avy ao amin’ny Soratra izao maraina izao, lava, mba hanomezan’izany ahy fototra kely eo amin’izay tiako ho lazaina.15 Ary, ankehitriny, maniry aho ny hihazonan’izy ireo ny horonam-peo, Rahalahy Sothmann sy ny hafa, alohan’ny

Page 4: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

4 NY TENY VOAMBARA

hivarotana azy, raha azo atao, ary izaho—izaho dia te-hihaino azy alohan’ny isika…alohan’ny hivoahany any amin’ny be sy ny maro.16 Ankehitriny ao amin’ny…Tiako ny hamaky avy ao amin’ny Filipiana, ny toko faha-2, 1 hatramin’ny 8; ary ny Korintiana Faharoa 3, manomboka amin’ny 6, ary vakiana hatrany amin’ny toko faha-4-n’ny Korintiana Faharoa, ho an’ny fototra iray fotsiny. Ankehitriny ao amin’ny Filipiana, toko faha-2, no ho vakiako aloha. Mialohan’ny hamakiana, dia ndao isika hivavaka.17 Tompo Jesosy, ny Teninao no Fahamarinana. Ary ao anatin’izao ora manahirana izay iainanay izao, ny firenena manohitra firenena, ny pesta, ireo horohoron-tany any amin’ny toerana maro, ny fahaketrahan’ny fon’ny olona, ny tahotra, dia hitanay ilay sora-tànana eo amin’ny rindrina. Ankehitriny, izany dia ilay faritra ara-nofo, mba hahitan’izao tontolo rehetra izao an’izany. Fa ankehitriny dia misy ny faritra ara-panahy iray, ihany koa, ka hitanay ireo zava-mitranga lehibe, ary te-hiresaka ny amin’ireo izahay androany.18 Tahio ny Teninao ho ao am-ponay. Fantatray fa tsy misy olona any an-Danitra na eto an-tany izay mendrika handray an’ity Boky ity, hamaha an’ireo Tombokase, na ny hijery Azy, aza. Fa nisy Anankiray niseho, Zanak’ondry iray voavono, nandeha rà, izay nanatona ka nandray ny Boky, ary mendrika sy afaka nanokatra Azy. O ry Zanak’ondrin’Andriamanitra, sokafy ny Teninao ho an’ny fonay androany, ho fampiononana. Mpanomponao izahay. Mamelà ny fahotanay, Tompo. Ary ny zavatra rehetra izay manakana ny Teny tsy handroso miaraka amin’ny hery sy ny fanintonana eo amin’ny fiainanay androany, dia esory izany, Tompo, ny sakana rehetra, mba hahazoanay ny fidirana feno ao amin’ny fitahiana rehetra izay nampanantenana anay amin’ny alàlan’ny Teninao. Mangataka an’izany amin’ny Anaran’i Jesosy izahay. Amena.19 Filipiana 2.

Raha misy fampiononana ao amin’i Kristy, raha misy fampiononana avy amin’ny fitiavana, raha misy firaisana amin’ny Fanahy, raha misy fiantran’ny famindrampo,

Tanteraho ny fifaliako, mba hitovianareo saina, miray fitiavana, ho iray hevitra, an’ny—an’ny saina iray.

Tsy manao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana na mandrani-tena foana; fa amin’ny fanetre-tenan’ny saina dia aoka samy hanao ny hafa mihoatra lavitra noho ny tenany.

Aza samy mihevitra ny azy manokana, fa ny olona rehetra ho an’ny zavatry ny hafa.

Page 5: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

NY FANEHOANA AN’ANDRIAMANITRA 5

Aoka ho aminareo izao saina izao, izay tao amin’i Kristy Jesosy ihany koa:

Izay, na dia nanana ny endrik’Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin’Andriamanitra:

Fa nofoanany ny tenany, ary nalainy ny endriky ny mpanompo, ary natao ho manam-pitoviana amin’ny olona:

Ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona, dia nanetry ny tenany izy, ary nanaiky hatramin’ny fahafatesana, na dia ilay fahafatesana tamin’ny hazo fijaliana aza.

20 Ankehitriny raha hamaky indray isika ankehitriny ao amin’ny Korintiana Faharoa, ny toko faha-3, hanomboka amin’ny andininy faha-6 isika, ary hamaky an’izany hatrany amin’ny faha-18, ary mitohy eo amin’ny ampahan’ny toko faha-4.

Izay efa nampahaleo anay ihany koa ho mpanompo amin’izay fanekena vaovao; tsy amin’ny soratra, fa amin’ny fanahy: fa ny soratra mahafaty, fa ny fanahy no mahavelona.

Fa raha ny fanompoan’ny fahafatesana aza, voasoratra sy voapetaka tamin’ny vato, no nisy voninahitra, ka ny zanak’Isiraely tsy afaka nibanjina ny tavan’i Mosesy noho ny voninahitry ny tavany; dia voninahitra izay mihalevona:

Nahoana kosa ny fanompoan’ny fanahy no tsy hisy voninahitra?

Fa raha ny fanompoan’ny fanamelohana no nisy voninahitra, dia mihoatra noho izany no ataon’ny fanompoan’ny fahamarinana hanan-tombom-boninahitra.

Fa izay nisy voninahitra aza dia tsy manana voninahitra kosa amin’izao, noho ny anton’ny voninahitra izay manan-tombo.

Fa raha ny nihalevona aza nisy voninahitra, dia mihoatra noho izany no ananany…ny mitoetra no misy voninahitra.

Koa amin’izany satria izahay manana ny fanantenana, izahay dia sahy tokoa…fitenenana tsy misorona, mampiasa fitenenana tsy misorona.

Ary tsy tahaka an’i Mosesy, izay nametraka fisalobonana iray teo amin’ny tavany, mba tsy hahafahan’ny zanak’Isiraely hibanjina ny faran’izay efa nihalevona:

Page 6: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

6 NY TENY VOAMBARA

Fa efa jamba ny sainy: fa hatramin’izao andro izao dia mbola tsy nesorina ihany izany fisalobonana izany raha vakiana ny fanekena taloha; satria ao amin’i Kristy ihany no anesorana an’izany fisalobonana izany.

Fa hatramin’izao andro izao aza, rehefa vakiana ny amin’i Mosesy, dia mbola eo amin’ny fony izany fisalobonana izany.

Kanefa rehefa hiverina amin’ny Tompo izy, dia hesorina izany fisalobonana izany.

Ankehitriny dia ny Tompo izany Fanahy izany: ary izay misy ny Fanahin’ny Tompo…no misy ny fahafahana.

Fa isika rehetra kosa, amin’ny tava tsy misarona izay mibanjina toy ny eo amin’ny fitaratra ny voninahitry ny Tompo, dia ovana ho amin’izany endrika izany avy amin’ny voninahitra ho amin’ny voninahitra, toy ny avy amin’ny Fanahin’ny Tompo.

Noho izany satria manana an’izany fanompoana izany izahay, araka ny nahazoanay famindrampo, dia tsy ketraka izahay;

Fa efa nolavinay ny zavatra takona sy ny mahamenatra, ka tsy mandeha amin’ny fihendrena sy manatsatso ny tenin’Andriamanitra; fa amin’ny fanehoana ny marina no ideranay ny tenanay amin’ny fieritreretan’ny olona rehetra eo imason’Andriamanitra.

Fa raha miafina ny filazantsaranay, dia miafina amin’izay ho very izany:

21 Enga anie ny Tompo hanampy ny Fitahiany amin’ny famakiana ny Teniny!22 Ankehitriny, ny lohateniko amin’izao maraina izao, mahatoky aho fa Andriamanitra no hanambara an’izany. Ary isan’andro, raha ianareo izay maka ny horonam-peo ka mihaino, ary manantena sy mahatoky aho fa—fa efa nanana ny fahazoana ara-panahy ianareo ny amin’izay efa noezahan’Andriamanitra ho hitan’ny Fiangonana nefa tsy nolazaina mivantana. Hitanareo? Zavatra iray izany, indraindray, mila miteny zavatra amin’ny fomba tahaka an’izany isika izay mety hampiparitaka, mety hitondra ny sasany hivoaka izany, ny sasany handeha, ary ny sasany mba—mba—mba handanjalanja. Fa natao fanahy iniana izany. Tsy maintsy ho toy izany ilay izy.23 Koa izany dia mety hanao ny sasany hilaza hoe, “Ny tianao ho lazaina ve dia hoe fanahy iniana no anaovan’Andriamanitra zavatra tahaka an’izany?” Nataony tokoa izany. Mbola manao an’izany Izy.

Page 7: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

NY FANEHOANA AN’ANDRIAMANITRA 7

24 Nilaza Izy indray andro, rehefa nanana an’arivony Izy nanodidina Azy, hoy Izy hoe, “Raha tsy mihinana ny Nofon’ny Zanak’Andriamanitra ianareo, na ny Zanak’olona, sy misotro ny Ràny, dia tsy manana Fiainana ianareo ao anatinareo.”25 Karazana fanambarana toy ny inona no heverinareo ho eritreretin’ny dokotera mpitsabo iray na mpanampy iray, na olona manam-pahaizana tsara ny amin’ny fanambarana iray tahaka an’izany, avy amin’ny Lehilahy iray izay manana asam-panompoana iray tahaka ny Nananany? Nahoana, hilaza izy hoe, “Hihinana an’ilay nofo? Mpihinan’olona izany! Hisotro ràn’olombelona? Vampira izany! Amin’ny teny hafa, dia Tiany ho lasa mpihinan’olona sy vampira isika.” Ary nanalavitra Azy ilay mpanatrika manontolo.26 Ary nisy fikambanan’ny mpitoriteny iray niaraka Taminy, ireo fitopolo, izay efa voafidy. Ary nitodika tany amin’izy ireo Izy, dia hoy Izy hoe, “Inona no heverinareo rehefa mahita ny Zanak’olona miakatra any amin’izay Nihaviany ianareo?” Ankehitriny, tsy nanazava an’izany Izy. Tsy Nazavainy mihitsy hoe ahoana; Paoly no nanao an’izany taty aoriana kely. Nolazainy fotsiny Izany. Hitanareo? Ary avy eo tamin’izany, dia hoy Izy hoe, “Inona no ho lazainareo,” tamin’ireo mpitoriteny, “rehefa mahita ny Zanak’olona miakatra any amin’izay Nihaviany ianareo?”27 Tsy isalasalana fa nilaza ireo lehilahy ireo hoe, “Ankehitriny, vetivety fotsiny. Oh, nihinana niaraka Taminy isika. Nanjono niaraka Taminy isika. Natory niaraka Taminy isika. Isika—isika dia mahafantatra hoe taiza Izy no teraka. Hitantsika ny fandrian-jaza izay Izy—Izy no norotsirotsiana tao. Koa ahoana no anaovan’ity Lehilahy ity…Sarotra izany teny izany.”28 Ary hoy ny Baiboly hoe, “Tsy niara-nandeha Taminy intsony izy ireo.” Nialan’izy ireo Izy.29 Avy eo dia roa ambin’ny folo sisa no Nananany. Nifidy roa ambin’ny folo Izy, ary ny iray tamin’izy ireo dia devoly, hoy Izy. Koa dia nitodika tany amin’izy ireo Izy. Ary tsy nisy anankiray mba afaka nanazava an’izay vao avy Nolazainy. “Ahoana no hihinanan’izy ireo ny Nofony sy hisotroany ny Ràny? Ary ahoana no Nidinany, nefa Izy teraka teto ambonin’ny tany?” Hitanareo? Tsy nety azon’izy ireo Izany. Ary avy eo dia nitodika tany amin’ireo apostoly Izy, ary hoy Izy hoe, “Te-handeha ihany koa ve ianareo?”30 Ary tamin’izay no nanaovan’i Apostoly Petera an’ilay fanambarana lehibe hoe, “Tompo, ho any amin’iza moa izahay?” Hitanareo? “Fa afa-po izahay. Tena fantatray marina tokoa fa Ianao, ary Ianao irery ihany, no manana ny

Page 8: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

8 NY TENY VOAMBARA

Tenin’ny Fiainana an’izao ora izao.” Hitanareo? “Ary afa-po amin’izany izahay.” Hitanareo, tsy hain’izy ireo nazavaina Izany. Izy ireo… Tsy hainareo azavaina ny finoana. Zavatra iray izay inoanareo izany, ary tena mafy be izany ka tsy misy zavatra hafa haka ny toerany. Noho izany, dia fantatr’izy ireo fa ilay Teny izay nosoratana ho an’io taona izay niainan’izy ireo io, ilay taona Mesianika, izay Nampifanarahany tanteraka tamin’ilay toerana. Ary inona moa no azon’izy ireo hatao raha hiverina ao amin’ireo fiangonana mangatsiaka, ara-pomba izay avy nivoahan’izy ireo? Hoy izy ireo, “Ho aiza moa izahay?” Hitanareo? “Tena resy lahatra tanteraka izahay fa Ianao no manana ny Tenin’ny Fiainana.” Hitanareo? Ary izy ireo—izy ireo dia tsy nahay nanazava an’Izany, saingy nino an’Izany izy ireo. Hitanareo?31 Ary niteny an’izany Jesosy mba hiava an’ireo Olony marobe, hitanareo, mba Hahafahany manangona an’ilay andiany miaraka. Ary avy tao amin’ireo vahoaka ireo, izy ireo, dia iraika ambin’ny folo tamin’izy ireo ihany tamin’io fotoana io no tena nahalala hoe Iza Izy. Fantatr’izy ireo fa Izy no Andriamanitra, ary Andriamanitra tokana. Ankehitriny, ny…32 Ny lohateniko izao maraina izao dia ny hanambara, na, haneho an’io Andriamanitra io.33 Andriamanitra isan’andro, tao amin’ny taona tsirairay, dia niafina tao ambadiky ny voaly iray, ny taona rehetra, saingy Andriamanitra foana Izy tamin’izany. Hitanareo? Saingy nihazona ny Tenany niafina an’izao tontolo izao Izy, ary manambara ny Tenany amin’ny Voafidiny, tahaka an’ireo apostoly tamin’io andro io. Ankehitriny, izany no Andriamanitra izay miteny ao amin’i Kristy.34 Ankehitriny, ny olona isan’andro dia, efa natioran’ny olona izany, nitady ny hahita (ara-batana) an’io Andriamanitra io izy. Te-hahita Azy foana izy. Ny olona dia nanamboatra zava-boahary izay mitovy Aminy. Nieritreritra izy ireo ny amin’ny…Ireo Indiana dia nanompo ny masoandro. Ary—ary nahita izahay, tany Afrika, an’ireo endrika biby samihafa, sy ny sisa. Ary tany…ireo hazo lava totem any Alaska, ary—ary endrika samihafa izay heverin’izy ireo fa ao anatin’izany Andriamanitra. Tahaka ny nitenenan’i Paoly tany Atena tamin’izany fotoana izany, teo amin’ny Areopago, ka nilaza tamin’izy ireo fa ninonino foana izy ireo mikasika an’io Andriamanitra tsy fantatra io, izany hoe, fantatr’izy ireo fa tao Izy saingy tsy mbola nahafantatra Azy izy ireo.35 Ary dia hitantsika na dia ny tany alohan’i Joba lavitra tany aza. Joba dia nahafantatra fa nisy Andriamanitra iray. Fantany izany. Ary tsy misy ny—ny—ny olombelona,

Page 9: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

NY FANEHOANA AN’ANDRIAMANITRA 9

ao amin’ny sainy tsara, ka tsy mahafantatra fa tsy maintsy misy Zavatra any ho any. Ary, ankehitriny, dia te-hiresaka Taminy i Joba.

Ary tiako ianareo hahamarika an’ilay endrika izay nofidian’Andriamanitra hiresahana amin’i Joba. Voasarona Andriamanitra rehefa niresaka tamin’i Joba Izy. Voasarona tao anatin’ny tafio-drivotra Izy, nidina tao anatin’ny tafio-drivotra. Mino ve ianareo fa Andriamanitra dia mbola tonga ao anatin’ny tafio-drivotra izay afaka ho tonga eo amin’izay jerenareo? [Hoy ny fiangonana hoe, “Amena.”—Mpand.]36 Misy maro no mipetraka eto, maromaro, izay niaraka taminay indray andro rehefa tonga tao anatin’ny tafio-drivotra Izy. Nilaza taminay ny andro talohan’io, Rahalahy Banks Woods sy ny hafa, rehefa nilaza Izy hoe, “Raiso io vato io, atsipazo eny amin’ny rivotra izy, ary mitenena hoe, ‘HOY NY TOMPO HOE! Ho hitanareo izany izao ankehitriny izao.’” Ary nalaiko ilay vato, teo an-tampon’ilay tendrombohitra, natsipiko teny amin’ny rivotra izany, ary ny…mazava ho azy, nidina, ary izany no nanomboka nanao an’ilay tafio-drivotra, hitanareo, ilay fitsentsefan’izany.37 Tsy maintsy manao zavatra ianareo mba hiteraka zavatra hanaraka an’ilay izy. Naka mofo anankiray Jesosy ary namaky an’izany, avy eo dia nampitombo avy tamin’io mofo anankiray io. Naka rano Izy, nandraraka an’izany tao anatin’ny siny iray. Naka sira i Elia, nametraka an’izany tao anatin’ny lovia iray; nanapaka tsorakazo iray, nanipy an’izany teo ambonin’ny rano. Zavatra iray mba ho marika izany.

Ary nalaiko io vato io ary natsipiko teny amin’ny rivotra, ary nidina nanomboka nanao an’ilay tafio-drivotra.38 Ny ampitso, nahoana, dia nisy mpitoriteny iray niaraka taminay tao amin’ny dia fihazana iray. Nijoro teo akaiky teo izy, ary hoy izy tamiko hoe, “Manome fahitana tahaka an’izao ve ny Tompo, Rahalahy Branham?”39 Hoy aho hoe, “Eny, saingy mazàna aho no tonga eto mba hiala sasatra.” Ary tamin’izay fotoana izay indrindra no tonga ilay fahitana.40 Ary Rahalahy Borders, heveriko fa ao ivelany ao izy ankehitriny, tany izy. Rahalahy Banks Woods, heveriko, ary, oh, maro no tany, valo na folo. Ary Rahalahy Banks Woods dia nanara-maso an’izany. Teo ambonin’ilay tendrombohitra mihitsy, tery ampita mihitsy, tanteraka, teo amin’ny antsasaky ny maily teo izay nisehoan’ireo Anjely fito, izay nialako teto mba handeha ho an’izany, ka niverina aho ary nilaza ny…mikasika an’ireo Tombokase Fito. Teo amin’ny antsasaky ny maily avy teo amin’izany.

Page 10: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

10 NY TENY VOAMBARA

41 Ary avy eo ny ampitso, rehefa niseho izany, nahoana, ny…Niteny tamin’ny rahalahy aho, io rahalahy io, hoy aho hoe, “Inona ny olanao, tratry ny hidihidy iray ianao ao anatin’ny masonao. Efa niezaka ireo dokotera nandritry ny taona vitsy mba hampijanona an’izany ary tsy vitan’izy ireo ilay izy. Nilaza izy ireo fa ianao dia…izany dia hihinana ny masonao.” Dia hoy aho hoe, “Saingy aza manahy, efa nanaja ny finoanao ny Tompo Jesosy.” Ary nazerany fotsiny ny basiny. Dia hoy aho hoe, “ny reninao,” izay naha-izy azy mihitsy sy izay tsy mety aminy. Dia hoy izy hoe, “Izany no fahamarinana.”42 Rahalahy Roy Roberson avy eto amin’ity fiangonana eto ity, mitsangana manatrika, ataoko fa ianareo rehetra dia mahafantatra azy. Nahafantatra fa mpiady tranainy izy, ary nahafantatra an’izay hiseho, napetrako teo amin’ny sorony ny tànako; hoy aho hoe, “Rahalahy Roberson, mitandrema tsara, diniho, fa hisy zavatra natao hitranga.”43 Niverina teo amin’izay natao hijoroako aho, ary nivoaka avy teny amin’ny habakabaka ny tafio-drivotra iray, nidina nanerana ny lohasaha, avy tany ambony, tena lehibe loatra ilay izy hany ka nampitresaka an’ireo vatolampy, valo na folo inches ny halaliny, avy teo an-tampon’ilay tendrombohitra, ary nanipy azy ireo tany amin’ny roanjato yards tany. Ary nirefotra intelo tahaka an’izao, ary nisy Feo iray nivoaka avy tao amin’izany. Hitanareo?44 Ary izy rehetra ireo dia nijoro teo. Rahalahy Banks, izay manatrika ankehitriny, dia niakatra ka nanao hoe, “Izao ve ilay nolazainao tamiko omaly?” Hoy aho hoe, “Eny, tompoko, izao ilay izy.” Hoy izy hoe, “Ankehitriny, inona no nolazain’Izany?”45 Hoy aho hoe, “Ankehitriny, izaho ihany no mahafantatra an’izany, Rahalahy Banks, hitanao, satria izany dia…Hanaitra ny olona izany.”46 Fa nitohy Izany, ary nitranga kely fotsiny izany…nifindra nianavaratra. Kelikely, andro vitsy taty aoriana dia namely ny ranomasimbe Izany, ary efa hitanareo izay nitranga nanodidina ny Fairbanks. Famantaran’ny fitsarana Izany. Ankehitriny dia hitantsika fa—fa Andriamanitra dia mbola…Hitanareo, mandefa ny olona ao anatin’ny fahatairana izany. Ary noho izany izy ireo dia…Tsy maintsy nitranga izany, hitanareo. Tsy maintsy mitranga fotsiny izany. Ireo zavatra izay tsy maintsy mitranga dia tsy maintsy mitranga, na ahoana na ahoana. Hitanareo, hitranga izany, na ahoana na ahoana.47 Mosesy indray mandeha dia naniry ny hahita an’Andriamanitra, ary nilaza taminy Andriamanitra mba hijoro eo ambonin’ny vatolampy. Ary, teo ambonin’ny

Page 11: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

NY FANEHOANA AN’ANDRIAMANITRA 11

vatolampy, dia nitsangana i Mosesy ary nahita an’Andriamanitra nandalo, ary ny Lamosiny dia tahaka ny lamosin’olona iray. Tao anatin’ny tafio-drivotra Andriamanitra, ary Andriamanitra…raha nijoro teo ambonin’ny vatolampy i Mosesy.48 Ataoko fa ianareo rehetra dia efa nahita an’ilay sary tany indray andro, nijoro teo akaikin’io vatolampy iray ihany io izahay. Ary indro fa teo io Hazavana io, ilay Anjelin’ny Tompo, teo amin’izay nampirefotra Azy mihitsy. Nijoro…Eo amin’ny tabilaon’afisy mihitsy Izany ankehitriny, ihany koa.49 Mariho, Jehovah-n’ny Testamenta Taloha no Jesosin’ny Testamenta Vaovao. Hitanareo? Izy no Andriamanitra tsy miova, manova fotsiny ny Endriny.50 Ankehitriny, nisy olona nilaza indray andro, ny—ny—ny mpitoriteny Batista iray tany Tucson hoe, “Ahoana no hahafahanao milaza fa—fa Jesosy sy Andriamanitra dia ho Olona iray ihany?”51 Hoy aho hoe, “Eny, tena mora ilay izy raha avelanao hiala fotsiny ilay fisainanao manokana, ka hisaina an’ireo tenin’ny Baiboly ny amin’izany. Vatana tokana iray ihany izy ireo. Andriamanitra dia Fanahy iray; Jesosy no vatana izay Nisaronany. Hitanao?” Hoy aho hoe, “Tahaka ny any an-tranoko. Ho an’ny vadiko, dia vadiny aho. Ary manana zanakavavy tanora iray aho, Rebekah, rainy aho. Ary manana zafikely iray aho, ary ny anarany dia Paul, raibeny aho. Vady aho, ray, ary raibe. Ary ny vadiko dia tsy manan-jò amiko amin’ny maha-ray na raibe; manan-jò amiko amin’ny maha-vady fotsiny ihany izy. Ary ny zanako vavy tsy manan-jò amiko amin’ny maha-vady na raibe; zanako izy. Hitanao? Kanefa kosa ireo olona telo rehetra ireo dia olona iray ihany. Hitanao? Izany Andriamanitra; Ray, Zanaka, ary Fanahy Masina, dia fizarazaran’ny zò fotsiny.” Tsy miova Andriamanitra, ilay Andriamanitra iray ihany.52 Nanova ny Tenany Andriamanitra, manova ny Endriny. Raha voamarikareo eto ao amin’ny Filipiana, dia hoy Izy hoe, “Tsy nataony ho fikirina mafy izany, fa naka ny endrika an’ny olona.”53 Ankehitriny, ny teny Grika eto ho an’io endrika io, nijery an’izany foana aho omaly tontolo andro, niezaka ny hieritreritra hoe inona izany, dia hitako, tonga teo amin’ity teny ity hoe “en morphe.” Izao no fanononana an’izany e-n m-o-r-p-h-e. Nitady tao amin’ny teny Grika, mba hahita hoe inona izany en morphe izany…Mety diso ny fanononako an’izany, fa ny antony anononako azy, dia rehefa avoaka ny horonam-peo, ireo olona dia, ireo nianatra dia, hahafantatra an’izay tiako—tiako ho lazaina amin’izany. Izy, rehefa ilay en morphe, izany dia midika hoe nanova ny Tenany Izy. Izy,

Page 12: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

12 NY TENY VOAMBARA

nidina Izy. Ankehitriny, ny teny Grika eto dia midika, hoe, “Zavatra anankiray izay tsy mety ho hita, kanefa dia eo izany, ary avy eo dia miova izany ka afaka mahita azy ny maso.” Hitanareo?54 Tahaka an’i Elia, tany Dotana. Hitanareo, ilay—ilay mpanompo dia tsy afaka nahita an’ireo Anjely rehetra nanodidina teo ireo, ary nanova fotsiny Andriamanitra; tsy hoe nampidina an’ireo Anjely, fa nanova fotsiny ny fijerin’ilay mpanompo Izy. Ary teo ireo tendrombohitra feno Anjely, sy afo, sy soavaly afo, ary kalesy afo, izy rehetra nanodidina an’ilay Mpaminaniny. Hitanareo, izy ireo, nanova ny fijeriny Izy. Ilay—ilay zavatra dia efa teo.55 Noho izany, izay ezahako lazaina, dia hoe Andriamanitra izay efa nisy hatramin’izay no eto. Ny zavatra tokana Nataony rehefa tonga olona Izy, dia nanova ny Saron-tavany Izy. Hitanareo? Izy—Izy, en morphe, Izy—Izy no nanova ny Tenany amin’izay naha-izy Azy ho amin’izay maha-izy Azy, na ny Saron-tavany, seho hafa iray.56 Tahaka ny ao amin’ny tantara an-tsehatra lehibe iray. Tahaka ny noresahako aninkeo maraina, manenjika kely fotsiny eo amin’izao ny amin’i Shakespeare. Efa ela be izany. Saingy rehefa nanoratra i Shakespeare an’ilay—ilay—ilay tantara an-tsehatra, ny…ho an’i King James an’i Angletera, rehefa izy…ilay toetran’i Macbeth. Hitanareo, tsy nino ny mpamosavy i Shakespeare; saingy tao amin’ilay kilalao, satria ilay mpanjaka dia nino an’ireo mpamosavy, noho izany dia tsy maintsy nampidiriny ireo mpamosavy. Hitanareo? Ary ankehitriny, mba hanaovana an’izany, dia nanova an’ilay fizarana andraikitra izy ireo.57 Becky eto, tao amin’i Carmen, nilalao an’izany izy ireo tao amin’ny—tao amin’ny sekoly izay vao avy nahazoany diplaoma herinandro vitsy lasa izay. Ankehitriny, angamba olona anankiray no nilalao anjara telo na efatra. Mba hanaovana an’izany, izy—izy dia nanova ny saron-tavany. Matetika izy dia mivoaka, ity toetra ity izy; ary amin’ny manaraka dia mivoaka izy, toetra hafa anankiray izy. Saingy ilay olona iray foana ihany izy.58 Ary izany Andriamanitra. Nanova ny Tenany Izy avy amin’ny—avy amin’ny Andry Afo iray, ho lasa Lehilahy iray. Avy eo dia nanova ny Tenany avy tamin’izany, miverina ao amin’ny Fanahy indray, mba Hahafahany mitoetra ao anatin’ny olona. Andriamanitra miasa ao anatin’ny olona amin’izay tena naha-izy Azy. Jesosy Kristy, dia Andriamanitra niasa tao anatin’ny Olona, tao anatin’ny Lehilahy iray. Tao anatin’ny Lehilahy iray, izany no naha-izy Azy. Niova avy tamin’ny Andry Afo iray Izy, ary avy eo dia niditra; izany dia fisalobonana iray tany an-efitra, izay nanafina

Page 13: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

NY FANEHOANA AN’ANDRIAMANITRA 13

an’Andriamanitra tamin’ny Isiraely. Nahita ny bikan’ny Vatany i Mosesy, saingy ny tena marina dia niafina tao ambadik’io Andry Afo io foana Izy hatramin’izay, izay ny Logos izay nivoaka avy tamin’Andriamanitra.59 Ankehitriny dia hitantsika eto, ankehitriny hatrany amin’ny Pentekosta, dia tsy miasa ao anatin’ny olona Andriamanitra, na miasa…ankehitriny dia miasa amin’ny alàlan’ny olona Izy. Hitanareo? Niasa tao anatin’ny Lehilahy iray Izy tamin’izany, Jesosy. Ankehitriny Izy dia miasa amin’ny alàlan’ny lehilahy izay efa Nofidiany ho an’ity tanjona ity. Andriamanitra, ao amin’ny endrika olona, nanova ny Tenany Izy avy amin’ny endriky ny—an’ny…an’Andriamanitra, ho amin’ny endrika olona iray.60 Tonga tamin’ny anarana telo Izy, anarana zanaka telo. Tonga tao amin’ny Zanaka Izy…anaran’ny Zanaky ny—ny olona, ny Zanak’i Davida, ary ny Zanak’Andriamanitra; anarana zanaka telo.61 Ankehitriny, tonga voalohany Izy tamin’ny Zanak’i Da-…Zanak’olona, satria Mpaminany iray Izy. Ankehitriny, Jehovah Izy tenany no niantso an’i Ezekiela sy ireo mpaminany hoe, “ry zanak’olona, inona no hitanao?” Tsy nilaza ny Tenany ho Zanak’Andriamanitra mihitsy Jesosy; nilaza ny Tenany ho Zanak’olona Izy, satria ny—ny Soratra dia tsy azo simbaina. Tsy misy na inona na inona azo simbaina ao amin’ny Soratra. Ny Teny tsirairay dia tsy maintsy toy izany. Izany no fomba inoako azy. Izany no fomba tsy maintsy maha-izy Azy, tsy hoe satria mino azy aho, fa satria Tenin’Andriamanitra Izany.62 Ankehitriny raha voamarikareo tany amin’ny fiandohana, Teny anankiray, pejy iray ao amin’ny Baiboly, ao amin’ny Genesisy 1, hitantsika fa ilay manontolo…Ny aretina rehetra, ny alahelo rehetra, ny aretim-po rehetra, sy ny zavatra rehetra izay nitranga teo amin’ny vatan’olombelona, dia tonga satria olona anankiray izay tsy nino Teny anankiray, no niteraka an’io rehetra io. Izany no voalohan’ny Baiboly. Ao amin’ny faran’ny Baiboly, Apokalypsy 22, ilay Andriamanitra iray ihany no nanao hoe, “Na iza na iza manaisotra Teny anankiray avy amin’Ity, na manampy teny anankiray amin’Izany.” Hitanareo, tsy maintsy Teny amin’ny Teny ilay izy, araka ny maha-izy Azy mihitsy.63 Koa, noho izany, ary raiso fotsiny ilay zavatra kely tahaka an’izay hataoko…misy olona miteny ahy tsy mitsahatra foana mikasika an’ireo vehivavy manapaka ny volony. Ankehitriny, ho ahy, raha mbola manao an’izany foana izy, tsy ahoako na masina toy ny ahoana aza ny ataony ary na betsaka toy ny inona no fantany, fa diso foana izy. Manao sorta izy ary

Page 14: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

14 NY TENY VOAMBARA

ireo akanjo tahaka an’izany; tsy ahoako izay ataony, mahay mihira toy ny ahoana izy, tsara toy ny ahoana no hahaizany mitory teny, na inona na inona hainy atao, karazana fiainana inona no iainany, izany dia mbola Teny iray nosimbaina foana. Hitanareo? Hitanareo, tsy maintsy ho ny Teny rehetra ilay izy. Tsy hoe fehezan-teny iray; fa Teny iray, Teny anankiray! Noho izany, ny Baiboly dia tsy fandikan-teny manokana. Tsy maintsy ho Teny amin’ny Teny Izy, ny fomba izay nanoratana Azy. Tsy maintsy mino an’Izany isika.64 Ary tsy hoe mino Azy fotsiny, fa miaina Azy. Raha tsy miaina Azy isika, amin’izay fotoana izay dia tsy mino Azy isika; miteny fotsiny isika hoe mino isika. Tahaka ahy…Mifototra indray amin’izay nolazaiko, ireo mpianatra ireo dia tsy nahay nanazava an’Izany, saingy nino an’Izany izy ireo, na ahoana na ahoana, ary nanao ny fanambarany izy ireo ary niaina an’izany. Rehefa niala tamin’Izany ireo sisa tamin’izy ireo, dia nijanona niaraka tamin’Izany izy ireo! Nino an’Izany izy ireo! Izany no fomba ataontsika. Izany no fomba tsy maintsy hanaovanareo an’ilay izy. Tsy mampaninona izay ataon’ny olon-kafa, mino an’Izany isika ary avy eo dia miasa eo amin’Izany. Raha tsy manao an’izany ianareo, amin’izay fotoana izay dia tsy mino an’Izany ianareo.65 Ankehitriny mariho ankehitriny rehefa tonga Izy, dia tsy maintsy tonga amin’ny maha-Zanak’olona Izy, satria ny Soratra Masina no nilaza fa ho izany Izy, “Andriamanitra dia hanangana Mpaminany iray ho azy ireo.” Noho izany dia tsy afaka ny ho tonga Izy ka hiantso ny Tenany hoe ny Zanak’Andriamanitra, satria tsy izany ilay andraikitra. Izy no Zanak’olona izay naminany, mba hanatanteraka, sy hanambara amin’izy ireo ny zavatra rehetra izay efa vita, ka nanao tandindona ny amin’ny maha-izy Azy. Tamin’izany fotoana izany dia teto an-tany Izy amin’ny maha-Zanak’olona.66 Jereo ilay vehivavy Syrofoinisiana izay nanenjika Azy, ka nanao hoe, “Ianao ry Zanak’i Davida, mamindrà fo amiko!” Tsy nampitraka ny Lohany mihitsy Izy. Tsy nanan-jò Taminy izy amin’ny maha-Zanak’i Davida. Jentilisa iray izy. Tahaka ny zanakovavy tsy manan-jò amiko amin’ny maha-vady; na, ny vadiko, amin’ny maha-zanakavavy. Kanefa, zanakovavy izy ary vadiko, zanakovavy izy ao amin’ny Filazantsara. Saingy, eto an-tany, dia tsy manana zò izy ny hiantso ahy ho—ho ray. Hitanareo? Ankehitriny mariho, ity vehivavy Jentilisa ity dia tsy nanan-jò Taminy amin’ny maha-Zanak’i Davida. Fa i Bartimeo jamba kosa dia nanana, hitanareo, Jiosy iray izy. Ankehitriny, tonga Izy amin’ny maha-Zanak’olona.67 Tokony ho fantatrareo ireo teny ireo sy ireo zavatra ireo. Jereo i Hattie Wright tamin’io fotoana io, tamin’ilay Sintona

Page 15: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

NY FANEHOANA AN’ANDRIAMANITRA 15

Fahatelo. Tsaroanareo izany. Avy tamin’ny zavatra rehetra, dia niteny ny zavatra marina io vehivavy io. Tsy maintsy miteny an’ilay teny marina ianareo, ilay zavatra marina amin’Andriamanitra.68 Mariho ankehitriny, tonga Izy aloha amin’ny maha-Mpaminany, ary nohomboan’izy ireo Izy. Ny Azy manokana no nanombo Azy. Tonga Izy amin’ny maha-Zanak’olona.69 Avy eo taorian’ny nahatongavan’ny Fanahy Masina, dia Zanak’Andriamanitra Izy tamin’izay fotoana izay. Andriamanitra dia Fanahy iray. Izy no Fanahy Masina, Zanak’Andriamanitra. Niaina nanerana ny taom-piangonana Izy amin’ny maha-Zanak’Andriamanitra.70 Ankehitriny, ao amin’ny Arivo taona, dia ho Zanak’i Davida Izy, mipetraka eo amin’ny Seza fiandrianan’ny Rainy, Davida. Zanak’i Davida Izy, ankehitriny.71 Ary, tsarovy, eo anelanelan’ny Zanak’Andriamanitra…Tao amin’ny taonan’ny fiangonana Laodikia, dia noroahan’izy ireo Izy. Ary ao amin’ny Lioka, dia nilaza Izy fa ho voambara ho Zanak’olona indray Izy, ny Mpaminany, manatanteraka ny ambin’izany. Hitanareo? Mifamatotra tanteraka ireo Soratra. Zanak’olona, Zanak’Andriamanitra, Zanak’i Davida. Inona izany? Izany ilay Andriamanitra iray ihany foana, manova fotsiny ny Endriny, en morphe. Novainy fotsiny izany. Tantara an-tsehatra iray lehibe izany ho Azy. Milalao an’izany Izy.72 Tonga Izy amin’ny maha-Zanak’olona, ny Mpaminany. Nanao tanteraka. Na dia ilay vehivavy kely tao anatin’ny fahotany rehetra aza, teo amin’ilay fantsakana, dia nahafantatra Azy izy. Hoy izy hoe, “Fantatray fa ho avy ny Mesia, izay antsoina hoe ny Kristy, dia izao no Hataony.” Hitanareo, nahafantatra izy satria Voa iray voafidy mialoha izy. Avy eo izy… Fa, ny sisa tamin’izy ireo dia tsy nahafantatra an’Izany. Tsy nanana na inona na inona hahafantarana izy ireo. Tao anatin’ny fahotana izy ireo, hatrany am-piandohana.73 Ho, ho an’ireo Asany, dia manova ny Endriny Izy. Avy eo dia tonga tamin’ny endrika Zanak’olona Izy. Ho an’ireo taonan’ny mpanavao, Wesley, Luther, sy ny manaraka rehetra, dia hitantsika fa tena nasavoritak’izy ireo izany, tahaka ny nataon’ireo Isiraelita mihitsy, hany ka rehefa niseho Izy tamin’ny andro farany, tao amin’ny taona pentekotista, amin’ny maha-Fanahy Masina, dia nolavin’izy ireo Izany. Nanao an’ilay zavatra mitovy tamin’izay nataon’ny Isiraely izy ireo. Ary inona no Ataony ankehitriny? Miverina ho Zanak’olona. Ary avy eo, avy amin’izany, dia Zanak’i Davida.

Page 16: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

16 NY TENY VOAMBARA

Hitanareo ve hoe akaiky toy ny ahoana isika? Zanak’olona, Zanak’i Davida, Zanak’Andriamanitra. Voambara Izy amin’ny andro farany ho Zanak’olona, araka ny Malakia 4, ny sisa rehetra amin’ireo faminaniana mifandraika amin’izao ora izao. Tsy misy fifanarahana amin’ny fiangonana intsony rehefa Izy…Noroahan’izy ireo Izy; tany ivelany, mandondona eo am-baravarana. Misy Voa voafidy mialoha sasany ao, hatramin’izao. Tsy maintsy maka an’ireo Izy.74 Ary Andriamanitra, ao amin’ny olona, dia nanafoana ny Tenany. Joela 2:28, hitantsika, hoy Izy hoe, “Harotsako, amin’ny andro farany, ny Fanahiko.” Ankehitriny, raha voamarikareo ilay teny eo, teny Grika. Mety ho diso amin’izany aho, saingy ilay anankiray izay hitako…75 Tsy maintsy mitandrina an’ireo teny ianareo. Ny teny Anglisy indraindray dia misy dikany anankiroa. Tahaka ny teny izay ilazantsika fotsiny ny hoe, “andriamanitra.” Andriamanitra dia nahary ny lanitra sy ny tany, Genesisy 1. Saingy ankehitriny, ao amin’ny Baiboly, dia Izao no voalaza hoe, “Tamin’ny voalohany Elohima.” Ankehitriny, Elohima, ny teny Anglisy dia miantso hoe “andriamanitra,” saingy ny tena izy dia tsy izany no Elohima. Ny zavatra rehetra dia mety ho andriamanitra daholo, ho an’ilay teny hoe andriamanitra; afaka manao sampy iray ho andriamanitra ianareo; afaka manao an’io piano io ho andriamanitra ianareo; afaka manao ny zavatra rehetra ho andriamanitra ianareo.76 Fa tsy toy izany ny amin’ny teny hoe Elohima; Izany dia midika hoe, “ilay Tokana nisy tamin’ny alàlan’ny tenany.” Hitanareo? Io piano io dia tsy afaka nisy tamin’ny alàlan’ny tenany, tsy misy zavatra hafa afaka nisy tamin’ny alàlan’ny tenany. Noho izany, ny teny hoe Elohima, dia midika hoe, “Izy izay efa nisy foana hatrizay.” Andriamanitra dia afaka midika zavatra rehetra. Hitanareo ve ilay fahasamihafana ao amin’ny teny? [Hoy ny fiangonana hoe, “Amena.”—Mpand.]77 Ankehitriny, rehefa nilaza Izany eto hoe Izy dia nanafoana ny Tenany, na nandrotsaka, ankehitriny, mety hihevitra tahaka an’izany isika, hoe Izy dia “nandoa,” ny teny Anglisy hoe nanafoana, na nandrotsaka avy tao Aminy, hitanareo, nisy zavatra nivoaka avy tao Aminy izay hafa noho Izy. Fa ny teny hoe kenos, amin’ny teny Grika, dia tsy midika fa hoe Izy dia “nandoa,” na zavatra…Ny Sandriny no niala, na ny Masony no nivoaka, olona hafa iray.78 Izany hoe, Izy no nanova ny Tenany, Izy no “nandrotsaka ny Tenany tao,” (Amena!), tao amin’ny saron-tava hafa iray, tao amin’ny endrika hafa iray. Tsy hoe olona hafa no nivoaka avy tao Aminy, nantsoina hoe ny Fanahy Masina, fa Izy Tenany Izany. Azonareo ve ilay izy? [Hoy ny fiangonana hoe, “Amena.”—Mpand.] Izy Tenany no nandrotsaka ny

Page 17: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

NY FANEHOANA AN’ANDRIAMANITRA 17

Tenany tao amin’ny olona. “Kristy ao aminareo!” Tsara toy ny ahoana, mahafinaritra toy ny ahoana, ny mieritreritra, fa Andriamanitra dia nandrotsaka ny Tenany tao amin’ny olombelona, tao amin’ilay mpino. “Mandrotsaka!” Izany no ampahany iray amin’ny Tantarany an-tsehatra, ny fanaovana an’izany.

Andriamanitra, ny fahafenoana rehetra, ny maha-Andriamanitra ara-batana rehetra dia tao amin’io Olona io, Jesosy Kristy. Andriamanitra Izy, ary Andriamanitra tokana. Tsy hoe olona fahatelo na olona faharoa, na olona voalohany; fa ilay Olona, Andriamanitra voasarona tao anatin’ny nofon’olombelona.79 Timoty Voalohany 3:16, “Iaraha-manaiky mihitsy fa lehibe ny zava-miafina ny amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra; fa A-n-d-r-i-a-m-a-n-i-t-r-a, Elohima,” sora-baventy A-n-d-r-i-a-m-a-n-i-t-r-a, ao amin’ny Baiboly. Amarino indray izany, ny rehetra. Io no manondro, ao amin’ny tany am-boalohany, Izao no voalaza hoe, “Elohima.” “Tamin’ny voalohany, Elohima.” Hitanareo? “Ary, Elohima, iaraha-manaiky mihitsy fa lehibe ny zava-miafina ny amin’i Elohima; fa Elohima dia tonga nofo, ary nikasika Azy isika.” Elohima, voasarona tao anatin’ny nofon’olombelona! Ilay Jehovah lehibe izay nandrakotra ny habakabaka rehetra, ny fotoana, ary nanerana, dia tonga olona. Nikasika Azy isika, Elohima. “Tamin’ny voalohany, Elohima. Ary Elohima dia tonga nofo, nonina teo anivontsika.”80 Inona? Izany no Fombany, ireo ampahan’ilay tantara an-tsehatra. Izany no fomba tsy maintsy Nilalaovany an’ilay izy, ny Fombany fanehoana ny Tenany tamintsika toy ny hoe olona samihafa. Isika dia mety maty, ary Fantany izany. Ary mahazo amin’ny maha-mety maty fotsiny ihany isika. Mahafantatra amin’ny maha-mety maty fotsiny ihany isika. Mahafantatra fotsiny isika arak’izay hamelan’ireo taovam-panamboloantsika hahafantatra, fa ny sisa amin’izany dia tsy maintsy inoantsika amin’ny alàlan’ny finoana. Tsy maintsy milaza isika fa misy Andriamanitra iray; na mahita Azy isika, na tsia, dia mino an’izany isika, na ahoana na ahoana. Hitanareo? Na misy izany na tsia, dia mbola mino an’izany foana isika satria Andriamanitra no niteny an’izany.81 Tahaka an’i Abrahama, tsy afaka nahita an’ilay zanaka izy, tsy nisy famantarana, tsy nisy ny fitondrana vohoka an’i—an’i Saraha, tsy nisy akory aza ny fotoan’ny fadim-bolana na inona, kanefa kosa dia Andriamanitra no niteny an’izany. Ny fanantenana rehetra, na dia ny—ny kibony aza dia efa maty, ary ny ainy tao aminy dia efa lasa, ary ny—ny loharanon’ainy dia efa maina, ary ny—ny fiainany dia efa maina tao anatiny. “Ary dia tsy niahanahana tamin’ny teny

Page 18: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

18 NY TENY VOAMBARA

fikasan’Andriamanitra tamin’ny tsi-finoana izy, fa nahery, nanome fiderana, nahafantatra fa Andriamanitra dia mahay manao ny zavatra rehetra izay Nolazainy fa Hataony.”

Izany no fomba tokony hinoantsika ny Teny androany. Ahoana no hampisy an’izany? Tsy fantatro. Andriamanitra no niteny fa ho tahaka an’izany no hisiany, dia milamina hatreo izany.82 Iza io Olona malaza tsy hita maso io? Iza Io izay hitan’i Abrahama tao amin’ny fahitana io? Tamin’ny farany mihitsy, na izany aza, dia voaseho tao amin’ny nofo Izy, talohan’ny nahatongavan’ilay zanaka. Andriamanitra Tenany no tonga teo amin’i Abrahama tao amin’ny endrika lehilahy iray, tamin’ny fotoana farany. Voaseho! Efa nahita Azy tao anatin’ny Hazavana kely iray izy indray mandeha; efa nahita Azy tao amin’ny fahitana izy; efa nandre ny Feony izy; fanambarana maro. Fa talohan’ilay zanaka nampanantenaina mihitsy, dia nahita Azy tao amin’ny endrika lehilahy iray izy, sy niresaka Taminy, sy nampihinana hena Azy ary nisotro. Hitanareo? Mariho, Andriamanitra Tenany no nisarona tao anatin’ny nofon’olombelona.83 Izany no ampahany iray amin’ny Fombany. Izany no fomba izay Hanehoany ny Tenany amintsika, hanehoany an’ilay Teny Mandrakizay, Andriamanitra, Jehovah tonga nofo. Tahaka ny ao amin’ny Masindahy Jaona 1, “Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny…Tamin’ny voalohany Elohima, ary Elohima dia…lasa Teny, ary ny Teny dia Elohima. Ary ny Teny dia tonga Elohima.” Hitanareo? Zavatra mitovy ilay izy, fanehoana fotsiny.84 Tahaka ny toetra, hitanareo, tao amin’Andriamanitra izany. Ny toetra iray dia ny fisainanareo. Andriamanitra tamin’ny voalohany, ilay Mandrakizay, dia tsy Andriamanitra iray akory aza Izy. Izy no Mandrakizay. Tsy Andriamanitra akory aza Izy; Andriamanitra dia zavatra iray hivavahana, na tahaka an’izany. Hitanareo? Noho izany dia tsy izany akory aza Izy. Elohima Izy, ilay Mandrakizay. Saingy tao Aminy dia nisy an’ireo fisainana izay Tiany ho lasa mivaingana. Dia inona no Nataony? Tamin’izay fotoana izay dia niteny Teny iray Izy, ary ny Teny dia lasa nivaingana. Izany ilay sary manontolo, manomboka amin’ny Genesisy ka hatrany amin’ny Apokalypsy. Tsy misy diso. Izany no Elohima lasa nivaingana mba Hahafahany ho kasihana, ho tsapa. Ary ao amin’ny Arivo taona, dia misy Elohima mipetraka eo ambonin’ny Seza fiandrianana, hitanareo, marina izany, miaraka amin’ireo Olony manodidina Azy, izay efa Nofidiany mialoha talohan’ny fanorenana an’izao tontolo izao.85 Tahaka ny lehilahy iray manorina an’ireo lakolosy na manamboatra an’ireo lakolosy, ilay mpandrendrika. Ny

Page 19: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

NY FANEHOANA AN’ANDRIAMANITRA 19

lakolosy tsirairay dia tsy maintsy maneno tsy mitovy amin’ny anankiray hafa. Ireo fitaovana iray ihany, saingy vy marobe, vy fotsy marobe, varahina marobe, mba hampanao azy an’ilay “ting.”86 Izay no fomba nataon’Andriamanitra. Nakambany ity anankiray ity ho amin’itsy anankiray itsy, ity anankiray ity ho amin’itsy anankiray itsy, ity anankiray ity ho amin’itsy anankiray itsy, mandra-Pahazoany tanteraka an’izay Tiany. Toy izany no Nidinany. Andriamanitra naneho ny Tenany tao anatin’ny Andry Afo iray nidina nankao amin’ireo mpaminany, avy eo nankao amin’ilay Zanak’Andriamanitra, izay, Izy no Andriamanitra. Hitanareo, ilay Andriamanitra iray ihany izay mivoaka tanteraka, avy amin’ny fahatanterahana ho amin’ny fahatanterahana, avy amin’ny voninahitra mankany any amin’ny voninahitra. Izany no fomba andehanan’ilay Fiangonana.87 Mariho, nandritr’ireo taona ireo, dia fomba mitovy, tamin’ny alàlan’ireo Mpaminaniny, no Nanehoany ny Tenany. Tsy dia tena mpaminany loatra izy ireo, fa andriamanitra izy ireo. Izy no niteny an’izany. Satria, izay notenenin’izy ireo dia ny Tenin’Andriamanitra. Izy ireo no nofo izay nisaronan’Andriamanitra. Izy ireo dia andriamanitra. Jesosy no nilaza, Izy tenany, nanao hoe, “Ahoana no hahafahanareo manameloka Ahy raha nilaza Aho fa Izaho no Zanak’Andriamanitra, nefa ny lalànareo manokana no milaza fa ireo izay nahatongavan’ny Tenin’ny Tompo dia andriamanitra?” Hitanareo?88 Koa izany no Andriamanitra natao tao anatin’ny lehilahy iray nantsoina hoe mpaminany. Hitanareo? Ary tonga tamin’io lehilahy io ny Tenin’ny Tompo, noho izany dia tsy mpaminany izy; ilay mpaminany dia voaly, fa ny Teny no Andriamanitra. Ny tenin’olona dia tsy hiasa tahaka an’izany. Hitanareo ve izay tiako ho lazaina? Tsy afaka miasa ao amin’izany fanao izany izy. Fa amin’ny ampahany dia Andriamanitra izany. Hitanareo, Izy no Tenin’Andriamanitra tao amin’ny endrika olona, nantsoina hoe “lehilahy iray.”

Mariho, tsy nanova ny Natiorany mihitsy Izy, fa ny Endriny fotsiny ihany. Hebreo 13:8, nanao hoe, “Izy no tsy miova omaly, anio, ary mandrakizay.” Noho izany dia tsy nanova ny Natiorany Izy rehefa tonga Izy. Izy foana io Mpaminany io, nanerana ny taona rehetra, zavatra mitovy: ny Teny, ny Teny, ny Teny, ny Teny. Hitanareo? Tsy afaka manova ny Natiorany Izy, fa nanova ny Endriny Izy. Hebreo 13:8, nanao hoe, “Izy no tsy miova omaly, anio, ary mandrakizay.” Nanova ny Saron-tavany fotsiny Izy.89 Tahaka ahy niova avy tamin’ny vady, rehefa teraka ny zanako, amin’izay fotoana izay dia ray aho. Rehefa teraka ny

Page 20: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

20 NY TENY VOAMBARA

zafikeliko, dia raibe aho. Hitanareo? Saingy, tsy miova aho; izany dia mbola—mbola izaho foana. Hitanareo? (Ary izany Andriamanitra.) Ilay izy dia izaho fotsiny no manova ny…Hitanareo, izany dia hoe manova fotsiny ny endrikareo. Hitanareo?

Mariho. Ary ny natiora dia manova an’ilay izy avy amin’ny lehilahy tanora iray ho taona antenantenany, mankany amin’ny lehilahy antitra iray. Ary eo ianareo izao, hitanareo, manova fotsiny ny endrikareo ianareo.90 Ankehitriny, tsy afaka hilaza amin’io olona kely izay mitsangana eto io ianareo, enina ambin’ny folo taona, hilaza fa efa raibe izy. Tsy mety ho izany izy. Tsy maintsy miova ny endriny. Taona vitsivitsy no manova an’izany, avy eo dia lasa dadabe izy. Hitanareo ve izay tiako ho lazaina?91 Saingy Olona iray ihany foana ilay izy, ilay Olona iray ihany, Andriamanitra foana. Ao amin’izany fomba izany no Anehoany ny Tenany amin’ny Olony, amin’ny fanaovana an’izany. Mariho, nandritry ny taonan’ny Andry Afo, dia naneho ny Tenany tamin’ny Olony Izy. Tao amin’ny taonan’i—i Jesosy, dia naneho ny Tenany tamin’ny Olony Izy. Tao amin’ny taonan’ny Fanahy Masina, amin’ny maha-Zanak’Andriamanitra. Zanak’i Davida…Maneho ny Tenany foana amin’ny Olony amin’izany fanao izany Izy, manao ny olona hahafantatra Azy. Nisalobona tao ambadiky ny zavatra anankiray Izy, mariho, tamin’ny fomba iray ihany, na natiora iray ihany, isan’andro.92 Andriamanitra nisarona tao amin’i Jesosy, mba hanao ny asan’ny fanavotana teo amin’ny hazo fijaliana. Andriamanitra tsy afaka ny ho faty, amin’ny maha-Fanahy iray. Mandrakizay Izy. Fa tsy maintsy nanao saron-tava Izy ary nilalao an’ilay ampahan’ny fahafatesana. Tena maty Izy, saingy tsy afaka nanao an’izany Izy tao amin’ny Endriny Andriamanitra. Tsy maintsy nanao an’izany tao amin’ny endrika Zanaka Izy, amin’ny maha-Zanak’olona, tety an-tany. Hitanareo? Tsy maintsy ho endrika Zanaka Izy. Avy eo rehefa niverina Izy tamin’ny Pentekosta, dia Zanak’Andriamanitra indray Izy. Hitanareo ve izay tiako ho lazaina? Azonareo ve ilay hevitra? Izy dia…93 Tsy maintsy tonga tao anatin’ny nofon’olombelona Izy, mba…ary tsy nisy olona, tsy nisy filàna ara-nofo. Satria izany dia manaporofo indray ny filazantsika ny amin’ilay taranaky ny menarana, hitanareo, “ara-nofo,” tena taovam-pananahana. Tsy paoma; taovam-pananahana! Marina izany. Tsy maintsy ho izany ilay izy. Mariho eto, hitanareo, satria ny olona tsara rehetra…Jereo ireo mpaminany taloha ireo, saingy Izy dia tsy maintsy mihoatra noho ny mpaminany. Hitanareo? Mba hanaovana

Page 21: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

NY FANEHOANA AN’ANDRIAMANITRA 21

an’izany, dia tsy maintsy tonga tamin’ny fahaterahana ara-virijiny Izy, maneho fa io fahaterahana ara-virijiny io no nanaporofo…Tsy maintsy teraka tamin’ny fahaterahana ara-virijiny Izy, mba hanala an’ilay ozona, ilay Fanefitra. Hitanareo ve izay tiako ho lazaina? Noho izany, tsy maintsy taovam-pananahana ilay izy. Noporofoiny izany tao amin’ny Fihaviany Manokana; tsy tonga tamin’ny filàna ara-nofo Izy, fa tamin’ny alàlan’ny fahaterahana ara-virijiny. Ary nanova ny Saron-tavany Izy avy tamin’ny Jehovah ho Jesosy, mba handray an’ilay asam-panavotana tao amin’ilay tantara an-tsehatra izay Nolalaoviny, tao amin’ilay Andriamanitra eo amin’ny hazo fijaliana.94 Te-hahita Azy ireo Grika. Ao amin’ny Masindahy Jaona 12:20, maro aminareo no efa nandre ahy nitory teo amin’io teny io hoe, “Tompoko, te-hahita an’i Jesosy izahay.” Efa voamarikareo ve izany?95 Ankehitriny, nianatra ireo Grika ireo, olona malaza izy ireo. Ary izy ireo dia nanana ny—izy ireo dia nanana ny—ny fihetseham-po lehibe tamin’Andriamanitra, tahaka ny nitorian’i Paoly tamin’izy ireo tao Areopago. Ary izy ireo dia, izy ireo—izy ireo no nitarika—izy ireo no nitarika an’izao tontolo izao tao amin’ny siansa sy—sy fampianarana, olona malaza izy ireo. Saingy izy ireo dia nivavaka sy nino ny angano sy ny sisa, ireo bokin’ny literatiora sy ireo literatiora mahaliana, sy ny sisa.96 Saingy izy ireo—izy ireo—izy ireo dia taitra mikasika an’ity Lehilahy Izay afaka nanasitrana ny marary ity sy afaka nilaza mialoha an’ireo zavatra izay nitranga, hatrany amin’ny teboka. Ary taitra izy ireo, ka dia tonga izy ireo mba hahita Azy. Ankehitriny, diniho akaiky ankehitriny, aza diso an’izao. Hitanareo? Ary tonga izy ireo ka niteny tamin’i Filipo izy ireo, izay avy any Betsaida, “Tompoko, te-hahita an’i Jesosy izahay.” Ary i Filipo sy ny mpianatra hafa iray no nitondra azy teo amin’i Jesosy, mba hahita an’i Jesosy.97 Ankehitriny dia mariho ireo tena teny izay navalin’i Jesosy azy ireo, satria tonga izy ireo mba hahita hoe Iza Izy, nefa tsy afaka nahita Azy izy ireo. Ilay endrika no hitan’izy ireo, saingy tao amin’ny Tempoliny Izy. Ao amin’ny Tempoliny Andriamanitra, voasarona tao anatin’ny nofon’olombelona. Mariho ireo teny izay Nolazainy, “Raha tsy milatsaka amin’ny tany ny voam-bary, hitanareo, ka maty, dia mitoetra irery izy.” Hitanareo? “Tonga ny ora, tsy ho ela dia hankalazaina ny Zanak’olona, hitanareo, ary tsy maintsy esorina hiala amin’ity tany ity Izy. Ary raha tsy tonga izany ora izany, dia tsy afaka ny hahita Azy mihitsy ianareo.” Hitanareo?98 Jereo, nahoana izy ireo no tsy afaka nahita an’i Jesosy? Voasaron-tava Izy. Voasaron-tava Andriamanitra. Te-hahita

Page 22: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

22 NY TENY VOAMBARA

Andriamanitra iray ireo Grika, ary teo Izy, saingy tsy afaka nahita Azy izy ireo noho ilay voaly. Ary izany ilay zavatra mitovy amin’izao andro izao, tsy afaka mahita Azy izy ireo noho ilay voaly. Eo amin’ny tavan’izy ireo izany. Voasaron-tava ireto Grika ireto, na Jesosy no voasaron-tava ho an’ireto Grika ireto.99 Mariho, hoy Izy tamin’ireo hoe, “Raha tsy milatsaka amin’ny tany ity voam-bary ity, dia mitoetra irery izy.”100 Izy ireo, tsy azon’izy ireo hoe ahoana, nahoana no tsy nahafahan’izy ireo nahita Azy. Lehilahy iray no nitsangana teo. Tonga mba hahita an’Andriamanitra izy ireo, nefa lehilahy iray no hitan’izy ireo. Hitanareo? Tsy afaka nahita an’Andriamanitra izy ireo satria Andriamanitra dia nisalobona tamin’izy ireo. Ankehitriny tazòny ao an-tsainareo izany, Andriamanitra dia nisarona tao anatin’ny lehilahy iray. Afaka niteny izy ireo hoe, “Tsy misy olona mahay manao an’ireo asa ireo raha tsy Andriamanitra izy. Tsy misy olona afaka manao an’izany, nefa ahoana fa mijoro eto ny olona iray ary ireo asan’Andriamanitra anefa dia voaseho amin’ny Alàlany!” Hitanareo, tsy nety azon’izy ireo fa Andriamanitra dia voasarona.101 Voasarona tao anatin’ny olona iray Izy, tahaka ny Nisaronany hatramin’izay. Fa, voasarona tamin’izy ireo Izy, tao anatin’ny Tempoliny olombelona Izy. Andriamanitra dia tao anatin’ny tempoly olombelona. Ankehitriny, mitandrema tsara mihitsy, ankehitriny Izy no tsy miova omaly, anio, ary mandrakizay. Hitanareo, Andriamanitra voasarona, manafina ny Tenany amin’izao tontolo izao, voasarona tao anatin’ny vatan’olombelona. Hitanareo? Teo Andriamanitra! Ireo Grika dia nilaza hoe, “Te-hahita Azy izahay.”102 Dia hoy Jesosy hoe, “Ny voam-bary dia tsy maintsy latsaka ary maty.” Tsy maintsy maty amin’ny hevitrareo rehetra ianareo. Tsy maintsy miala amin’ireo fisainanareo manokana ianareo. Tahaka an’ireo mpianatra ireo, tsy hain’izy ireo ny nanazava mikasika ny fihinanana ny Vatany sy—sy fisotroana ny Ràny, saingy, hitanareo, tena maty tamin’ireo zavatra ireo izy ireo. Maty ho an’ny Fitsipika iray izy ireo, maty ho an’i Kristy izy ireo. Tsy mampaninona na inona ilay izy na inona, na betsaka toy ny ahoana ny faharesena izay ohatry ny Nananany, mbola nino an’Izany foana izy ireo na ahoana na ahoana. Hitanareo? Afaka nahita izy ireo tao amin’io Lehilahy io; Lehilahy iray izay nihinana, nisotro, nanjono, natory, ny sisa hafa rehetra, teraka teto an-tany, ary nandeha niaraka tamin’izy ireo, niresaka tamin’izy ireo, nanao akanjo tahaka ny sisa tamin’izy ireo, saingy Andriamanitra izany.103 Noho izany dia tsy afaka nahita Azy ireo Grika, satria niafina tamin’izy ireo Izy, tao anatin’ny vatan’olombelona iray. Mariho ny Teniny tamin’izy ireo hoe, “Raha tsy milatsaka amin’ny tany ity voam-bary ity.”

Page 23: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

NY FANEHOANA AN’ANDRIAMANITRA 23

104 Andriamanitra nisarona tao amin’ny endrika lehilahy iray, nanafina ny Tenany teo amin’ny fijerin’izy ireo. Lehilahy iray fotsiny ihany no hitan’izy ireo. Saingy ireo Voafidy mialoha kosa no nahita an’Andriamanitra. Ny anankiray nahita lehilahy iray, ilay iray hafa nahita an’Andriamanitra. Hitanareo? Ary izany no Andriamanitra voasarona tao anatin’ny vatan’olombelona, manao azy roa ireo ho marina, saingy ny finoanareo dia ao amin’izay tsy hitanareo. Mino an’izany ianareo, na ahoana na ahoana. Andriamanitra voasarona tao amin’ny vatan’olombelona. Tao amin’io nofo io Izy, ary io nofo io no Voaliny. Norovitina ilay voaly, hitanareo, mba hahafahan’Andriamanitra ho tonga voaseho.105 Ao amin’ny Testamenta Taloha, dia niafina Andriamanitra rehefa teo amin’ny Toerany fanaovam-panavotana Izy; teo amin’ilay toerana fanaovam-panavotana, tamin’ny alàlan’ny voaly iray. Ao amin’ny Testamenta Taloha, dia tao amin’ny Tempoliny Andriamanitra. Fa ny olona dia niditra sy nivavaka tahaka an’izao, saingy, tsarovy, fa nisy voaly iray teo (amena) izay nanafina an’Andriamanitra. Fantatr’izy ireo fa tao Andriamanitra. Tsy afaka nahita Azy izy ireo. Tsy niseho intsony mihitsy ilay Andry Afo teo. Efa voamarikareo ve? Tsy nisy fotoana na dia iray aza ao amin’ny Soratra, nanomboka tamin’ny fotoana nidiran’io Andry Afo io tao ambadik’io voaly io, ka hoe niseho indray Izany, mandra-pahatonga Azy avy tamin’i Jesosy Kristy. Voasarona Andriamanitra!106 Rehefa nijoro teto an-tany Izy, dia hoy Izy hoe, “Avy tamin’Andriamanitra Aho ary handeha ho any amin’Andriamanitra Aho.”107 Avy eo i Paoly, (taorian’ny Fahafatesany, fandevenany, ary ny fitsanganany), teny amin’ny làlany ho any Damaskosy, dia teo indray io Andry Afo io. Inona Izany? Nivoaka avy tao amin’ilay voaly! Voninahitra ho an’Andriamanitra!108 Tao ambadik’io voaly io Izy. Ankehitriny dia ao ambadiky ny inona Izy? Voaly hoditra. Hitanareo, “hodi-takasy,” ao ambadiky ny voaly. Ary rehefa rovitra io voaly io tamin’ny andron’ny fanohomboana, ilay voaly izay Nitafiany dia rovitra tamin’ny andron’ny fanohomboana, dia lasa hita maso ilay toerana fanaovam-panavotana.109 Ankehitriny, ireo Jiosy dia tsy nety nahazo mihitsy hoe ahoana no hahafahan’Andriamanitra mamindra fo amin’ny olona mpanota, ratsy fanahy tahaka antsika. Saingy tsy nety hitan’izy ireo ity Anankiray izay nanome famindrampo ity, satria niafina Izy. Tao ambadik’ilay toerana fanaovam-panavotana Izy, tao anatiny, niaraka tamin’ireo hodi-takasy nihantona, nanarona Azy. Taloha…110 Taloha, raha nisy olona iray nandeha tao ambadik’io voaly io, dia fahafatesana teo no ho eo izany. Amena. Oh, hahazo

Page 24: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

24 NY TENY VOAMBARA

lesona iray isika eto afaka iray minitra, hitanareo, raha afaka ianareo—afaka ianareo handray an’Izany. Mandeha ao ambadik’ireo hoditra ireo…Na dia ny anankiray tamin’ireo zanaky ny mpisorona aza no nanandrana nanao an’izany indray mandeha, dia maty. “Aza mandeha ao ambadik’io voaly io.” Ilay olona izay nandeha tao ambadika…Nahoana? Tsy mbola nisy ny fanavotana, tao amin’io. Amin’ny ampahany izany. Ampahany fotsiny ilay izy. Ary ny zavatra rehetra ampahany dia tsy mbola ilay tena zavatra, hitanareo, amin’ny ampahany fotsiny. Fanavotana ilay izy…Voasarona ny fahotana, fa tsy nohadinoina…navela, raha ny marina, tsy navela. Navela dia “nofafana ary nofoanana.” Ary noho izany ilay ràn’ondry sy osy dia tsy afaka nanao an’izany, noho izany dia niafina tao ambadiky ny voaly iray Jehovah. Ankehitriny, tao ambadik’io voaly izay Niafenany io, ny miditra ao anatin’io, tonga dia maty ny olona, ny manandrana ny miditra ao amin’Izany.

111 Fa hatramin’ny Pentekosta kosa, hatramin’ny Fanohomboana, rehefa rovitra io voaly io avy any ambony nankany ambany, ho an’io taranaka io…Jesosy io Andriamanitra io, voasarona. Ary rehefa maty teo Kalvary Izy, dia nandefa afo sy tselatra Andriamanitra, ary nandriatra an’io voaly io avy any ambony nankany ambany, mba hahatonga an’ilay toerana fanaovam-panavotana manontolo ho hita miharihary. Saingy jamba loatra izy ireo mba hahita an’Izany. Araka ny nolazain’i Mosesy eto, na dia, na…Paoly no nilaza, mamaky ny amin’i Mosesy hoe, “Rehefa vakiana ny amin’i Mosesy, hatramin’izao, dia mbola eo amin’ny fon’izy ireo foana io voaly io.” Oh, rahalahy, ranabavy, izany no nataon’ireo Jiosy rehefa rovitra ilay voaly ka nitondra an’Andriamanitra ho hita miharihary, nihantona teo amin’ny hazo fijaliana. Hita niharihary Izy, saingy tsy afaka nahita an’Izany izy ireo.

112 Mety hisy koa ve hoe ireo Jentilisa dia nanao an’ilay zavatra mitovy? O Andriamanitra! Nefa nanana an’ireo taonan’ny fiangonana izy ireo, ny amin’ilay Zanak’Andriamanitra; fa ankehitriny rehefa io voalin’ireo anaram-piangonana sy ny sisa io, io voalin’ny fombafomba izay nananantsika hatramin’ny Pentekosta io, rehefa rovitra ireo fombafombam-piangonana, ireo zavatra izay lazain’ny olona hoe, “Efa lasa ireo andron’ny fahagagana, sy ireo zavatra ireo,” dia nesorin’Andriamanitra ny voalin’Izany, ka nentiny ho hita miharihary Izany, ary dia vonona ny hanombo an’Izany indray izy ireo, tena mitovy tanteraka.

113 Ilay Andriamanitra voaseho, miharihary, tokony ho nahita Azy nitsangana teo izy ireo. Kanefa dia efa mahazatra loatra Izy, olona tsotra iray Izy. Tsy afaka nahita an’Izany

Page 25: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

NY FANEHOANA AN’ANDRIAMANITRA 25

izy ireo. Hitanareo, lehilahy iray no nitsangana teo. “Eny,” hoy izy ireo, “io zazalahy io, avy tamin’ny sekoly inona Izy?” Saingy, tsarovy, rehefa namely ny Vatany ilay lefona, nandao Azy ilay Fanahy, ilay tempoly…niongana ireo vongam-bato fanaovana fanatitra, ary nikapoka nanerana ny tempoly ny tselatra ka nandrovitra an’ilay voaly. Inona izany? Teo ilay Andriamanitr’izy ireo nihantona teo Kalvary, ary jamba loatra izy ireo mba hahita an’izany.114 Nitondra Azy an-karihary, nefa dia mbola tsy mahita an’Izany foana izy ireo! Nohajambaina izy ireo. Andriamanitra, voasarona tao anatin’ny vatan’olombelona iray!115 Tsaroanareo, avy eo Izy dia niverina teo amin’i Paoly taorian’izany, ary teo amin’i Petera tao an-tranomaizina, amin’ny maha-Andry Afo. Tsaroanareo ve izany? [Hoy ny fiangonana hoe, “Amena.”—Mpand.]116 Fa amin’ny andro farany dia natao hiverina indray Izy, saingy Andry Afo iray no natao hiverina indray mba hanehoana ny Zanak’olona, hitanareo, mba hampiseho ny Teny, ilay Hazavana. Ireo fombafomba, izay nisy, dia ho levonina. Tsy hisy na inona na inona hanelingelina an’Izany; tsy maintsy vita izany, na ahoana na ahoana. Mandrovitra fotsiny an’ireo anaram-piangonana sy fombafomba Andriamanitra.

Karazana Fanahy inona no Hanaovany an’izany? Tahaka ny Nataony tany amin’ny voalohany. Jereo izay Nataony tamin’ny andron’i Elia, tamin’ny andron’i Jaona. “Aza miteny anakampo hoe ianareo dia ‘manana an’i Abrahama ho ray,’ satria Andriamanitra dia mahay manangana zanaka ho an’i Abrahama avy amin’ireto vato ireto.” Hitanareo? Aza mihevitra ianareo hoe, “Satria, izaho mikambana amin’ity ary izaho mikambana amin’itsy.” Hitanareo? Andriamanitra no mandrovitra an’ilay voaly, hitanareo, mba haneho hoe Iza Izy. Hitanareo, diniho ilay voaly rehefa rovitra izy eto ankehitriny, mahita isika ankehitriny.117 Ankehitriny, ary indray mandeha, raha nisy olona iray nandeha teo amin’io voaly io, dia fahafatesana teo no eo izany. Ankehitriny dia fahafatesana ny tsy mandeha eo amin’Izany! Amena. Raha tsy afaka mamaky an’io voalin’ny fombafomba io ianareo, mamaky eo amin’io rindrin’ny anaram-piangonana io, mba hahita an’Andriamanitra ao amin’ny Heriny, dia fahafatesana izany. Fahiny dia fahafatesana ny niditra tao, ankehitriny dia fahafatesana ny mijanona any ivelany. Ilay Toerana Fanaovam-panavotana manontolo dia mipetraka hita miharihary, ny olona rehetra dia afaka mahita Azy, rovitra ilay voaly. Voninahitra ho an’Andriamanitra! Ilay toerana fanaovam-panavotana manontolo dia tonga eo amin’ny fahitana miharihary.

Page 26: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

26 NY TENY VOAMBARA

118 Ahoana no hahafahan’Andriamanitra hanana famindrampo eo amin’ny mpanota ratsy fanahy tahaka antsika, rehefa nanafina ny Tenany Izy, zava-miafina izany. Ary ankehitriny Izany dia hita miharihary, na ao amin’ny fahitana feno, voambara tamin’ny alàlan’ny Teniny. Ny Teny foana izany, tsy an-kitsahatra, izay Andriamanitra. Ny Teny no manokatra an’izany. Raha mba nahafantatra ny Tenin’Andriamanitra ireo olona ireo tamin’io andro izay nahafatesan’i Jesosy io, dia ho nahita an’ilay Toerana Fanaovam-panavotana izy ireo, ho nahita izy ireo hoe Iza Izy.119 “Iza àry Izany? Nahoana no rovitra ilay voaly?” Tsarovy, fahafatesana ny niditra tao amin’Izany. Tsy nisy olona afaka nahita an’Izany. Mosesy dia nahita an’Izany tao amin’ny endrika, Izany dia tadio…izany dia—dia lamosin’Olona iray. Eny, eto Izany dia, lamosina iray mandeha rà, ilay Olona iray ihany! Inona Izany? Te-hampiseho tamin’izy ireo an’ilay Toerana Fanaovam-panavotana Andriamanitra. Te-hampiseho tamin’izy ireo Andriamanitra hoe Iza Izy. Noho izany ilay voaly tao an-tempoly, tamin’ny tànan’Andriamanitra, tany ambony, dia rovitra avy any ambony nankany ambany, ary nampiseho an’Andriamanitra niharihary. Izany no Jesosy Kristy nihantona teo amin’ny hazo fijaliana, ilay Toerana Fanaovam-panavotana. Ary inona izany? Jamba loatra ireo olona mba hahita an’Izany.120 Ankehitriny dia miverina indray izany, ireo fombafomban’izy ireo! Ahoana, tamin’izany, tamin’ny Andron’ny Pentekosta, tonga ny Teny ary tao amin’ny endriky ny “Zanak’Andriamanitra.” Ary nanomboka nandrafitra an’izany izy ireo tany Nise, Roma. Ary, ny zavatra voalohany, dia lasa izy ireo nankany amin’ny Metodista, Batista, Presbyterana, Pentekotista, sy ny sisa. Fombafomba voarafitra ilay izy hany ny olona ka tsy mahafantatra intsony izay itsanganany.

Fa, voninahitra ho an’Andriamanitra, Izy no nampanantena amin’ny andro farany an’izay Hataony. Izy no hampiseho ny Teniny ho hita miharihary, hisokatra eo anoloantsika indray, hitanareo, hanokatra an’Izany.121 Raha mba nahafantatra fotsiny ny Teniny mantsy izy ireo, dia ho nahafantatra izy ireo hoe Iza Jesosy. Raha mba nisy olona iray fotsiny nahafantatra ny Tenin’Andriamanitra, dia ho fantany ilay ora izay iainantsika ary izay hiseho. Nandà fotsiny ny hihaino an’io Teny io izy ireo. Ireo fombafombany! Inona no nahatonga an’ireo Jiosy ireo hahita an’izany? Inona? Toy ny hoe afaka nahita tokoa izy ireo, satria rovitra nisokatra ilay zavatra. Rovitra nisokatra ho an’ny tanjona iray izany.122 Ho an’ny inona izao fifohazana ankehitriny izao? Ahoana no hampahomby an’izany? Ahoana no haha-voatahy an’izany?

Page 27: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

NY FANEHOANA AN’ANDRIAMANITRA 27

Tsy ahoako na firy na firy ireo fakan-tahaka ataon’izany, na zavatra hafa, izany dia tsy…Rehefa nivoaka i Mosesy, dia nisy vahoaka maro nifangaro nandeha niaraka taminy. Fa natao ho an’ny inona izany? Izany no Jehovah Izy tenany nanala an’ilay voalin’Andriamanitra, mba hampiseho an’ilay fahasamihafana eo amin’ny marina sy ny diso. Iza no, Metodista, Batista, Presbyterana, sa iza no marina? Ny Tenin’Andriamanitra no marina! “Aoka ny tenin’olona rehetra ho lainga, fa ny Ahy no Marina.” Tsy mila mpandika teny Andriamanitra. Izy no manao ny Fandikan-teniny Manokana. Izy no maneho an’Izany, ary ma-…izany no manome ny fandikana. Andriamanitra maneho ny Tenany. Oh, oadray! Eto afovoantsika mihitsy, dia mahita ny Tànany lehibe isika milaza an’ireo zavatra ireo, manao an’ireo zavatra ireo.123 Manana zavatra anankiray aho eo amin’izany rahariva, hitanareo, ny amin’ny hoe ahoana no handinihana ny tànan’Andriamanitra, inona no ataon’Izany, ahoana no hanehoan’Izany ny tenany. Hitanareo?124 Ary hoy ny olona hoe, “Oh, hadalana Izany. Fanatisma Io eo io. Tsy misy dikany Izany. Hadalana Izany. Belzeboba Izany. Ny devoly Izany. Fanaovana hatsarana Izany. Izany dia izao.” Hitanareo, ilay zavatra mitovy tamin’izay nolazain’izy ireo mikasika Azy.125 O ry fiangonana, ary raha hivoaka ity horonam-peo ity, tsy afaka ny hahita ve ianareo, ry mpitoritenin’ny Filazantsara, hoe aiza ianareo no miaina? Tsy afaka ny hahita an’ilay ora izay misy antsika ve ianareo? Andriamanitra, mampiseho ny Tenany, manaisotra…Jereo, Nalainy io voalin’ny tempoly io ary norovitiny ho potipotika izany, mba hahafahan’izy ireo mahita an’Andriamanitra miharihary, fa tena jamba loatra izy ireo ny hahita an’Izany. Ary manao an’ilay zavatra mitovy Izy amin’izao andro izao, mametraka ny Teniny eo aloha mihitsy, izay Nampanantenainy. Ny teny fikasana rehetra ao amin’ny Teny, mipetraka eo anoloantsika mihitsy, miharihary!126 Fantatrareo ve izay ataon’ilay fiangonana Jentilisa? Ilay zavatra mitovy amin’izay nataon’ilay fiangonana Jiosy, jamba loatra mba hahita an’Izany. Izay ihany. Ho eo amin’ny fon’izy ireo izany tena tahaka ny naha-izy azy tamin’izany andro izany.127 Mariho, fahafatesana, ny mijanona lavitra an’Izany ankehitriny. Tsy maintsy miditra ao amin’Izany amin’ny alàlan’io voaly io ianareo, raha tsy izany dia tsy ho tafiditra ianareo. Toy ny ahoana no nahafahan’Andriamanitra namindra fo tamin’izy ireo, saingy tsarovy hoe inona ilay izy, hoe Andriamanitra dia maneho an’izay tao ambadik’ilay voaly. Diniho hoe inona no tao ambadik’ilay voaly, ny Teny! Inona no nosaronan’izany? Ny Teny! Inona izany? Tao anatin’ilay fiara

Page 28: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

28 NY TENY VOAMBARA

Izany. Ny Teny no nafenin’io voaly io. Hitanareo? Ary Jesosy io Teny io, ary Izy io Teny io, ary ny voalin’ny Nofony no nanafina an’Izany.128 Ary amin’izao andro izao dia ny voalin’ireo fombafomba no manafina ny Teny indray, manao hoe, “Tsy izany Io.” Fa izany Io! Andriamanitra no manamarina an’Izany, manapoaka ny Tenany hivoaka mihitsy hamiratra tahaka ny masoandro, eo anoloan’ny tsirairay, nefa dia diso tamin’ny fahitana an’Izany izy ireo. Andriamanitra, mamindrà fo aminay.129 Ao amin’ny tandindona, Mosesy dia avy tao amin’ny Fanatrehan’Andriamanitra, niaraka tamin’ny Tenin’Andriamanitra ho an’io taona io. Ankehitriny diniho, ao amin’ny Eksodosy 19 isika ankehitriny. Aza diso an’ity ankehitriny. Eksodosy 19, Mosesy dia avy tao amin’ny Fanatrehan’Andriamanitra, na ny 20 sy 21, 19:20 sy 21. Mosesy dia avy tao amin’ny Fanatrehan’Andriamanitra. Efa niditra tao anatin’ilay Teny izy. Efa voasoratra ilay Teny. Ary izy, tao amin’ny Fanatrehan’Andriamanitra, niaraka tamin’ny Teny, dia izy no nanana ny Teny ho an’io taona io. Nisy Teny iray ho an’ny taona tsirairay. Ary nivoaka i Mosesy, tena namirapiratra loatra ny tavany! Hitanareo? Tao anatiny ny Teny, vonona ny ho voaseho, ho zaraina amin’ny olona.130 Ilay Teny marina, dia Andriamanitra no nanoratra an’Izany, ary niaraka tamin’i Mosesy Izany. Mariho, niaraka tamin’i Mosesy Izany ary efa vonona ny ho voaseho. Izy no Teny ho azy ireo, izy no Teny velona, niafina. Nanarona ny tenany, tsy maintsy nametraka voaly iray teo amin’ny tavany i Mosesy. Nahoana? Izy io Teny io. Amena. Mandra-pahatongan’io Teny io ho nampahafantarina, dia tsy maintsy nanarona ny tenany i Mosesy. Amena! Hitanareo ve Izany? Na aiza na aiza misy ny Teny, dia voasarona Izany.131 Mosesy no nanana ny Teny. Ankehitriny tsarovy, rehefa avy naseho ilay Teny, dia mbola Mosesy indray i Mosesy. Hitanareo? Fa raha mbola tao aminy io Teny io mba ho zaraina, dia Andriamanitra izy; eny, tsy Mosesy intsony izy. Izy no nanana ny Tenin’ny Tompo ho an’io taona io. Tsy nisy na inona na inona afaka nikasika azy mandra-pahatapitr’izany; izy no nanana an’io Teny io niaraka taminy. Koa, noho izany, rehefa tonga izy, dia nanodina ny lohany ny olona; tsy afaka nahazo izy ireo. Novaina izy ireo. Olona hafa iray izy. Tonga niaraka tamin’io Teny io izy. “Ary nametraka voaly iray izy,” hoy ny Baiboly, “teo amin’ny tavany,” satria izy no nanana ny Teny. Ary izy no Teny ho azy ireo.132 Ankehitriny jereo, raha i Mosesy aza…O rahalahy, ho lasa fanevatevana iray izao. Fa raha i Mosesy aza…Araka ny nolazain’i Paoly eto amin’ny Korintiana Faharoa, ny toko

Page 29: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

NY FANEHOANA AN’ANDRIAMANITRA 29

faha-3. Raha tsy maintsy nanarona ny tavany i Mosesy niaraka tamin’io tandindon’ny Voninahitra teo aminy io…hitanareo, satria voninahitra ara-nofo izany, lalàna ara-nofo izany. Ary raha i Mosesy aza, dia nahafantatra fa io lalàna io dia tsy maintsy ho levona, saingy lehibe loatra ilay Voninahitra ka nanajamba ny olona, noho izany dia tsy maintsy nametraka voaly iray teo amin’ny tavany izy ireo. Ho toy ny ahoana no hahalehibe an’Ity? Olona jamba ara-panahy! Ah-hah. Io voninahitra io dia tsy maintsy lefy, fa Ity Voninahitra ity dia tsy ho lefy. Hitanareo? Mosesy dia nanana an’ilay lalàn’ny nofo, ilay fanamelohana, tsy nisy fahasoavana, tsy nisy na inona na inona; manameloka anareo fotsiny ilay izy. Fa Ity resahantsika ity…Tsy nisy famelàna io, nilaza an’izay naha-izy anareo fotsiny io. Ity dia manome anareo ny làlana ivoahana.133 Ary rehefa voaseho io Teny io, oh, oadray, ho karazana tava iray inona Izany? Tsy maintsy ho voasarona Izany. Tsy maintsy voasarona Izany. Ankehitriny mariho. Noho izany dia voasarona tao anatin’ny tempoly olombelona iray ilay Fanahy, hitanareo, Izy miteny an’ireo teny ara-nofo miaraka amin’ny voaly iray ara-nofo.134 Ankehitriny, Paoly no miteny eto ankehitriny, ary ao amin’ity—ity heviny ity, ilay Teny-Fanahy, “Isika dia mpanompo, tsy amin’ny soratra, ilay lalàna; fa natao ho mpanompon’ny Fanahy,” izany hoe ny Fanahy no maka an’ilay soratra ka maneho Azy.135 Lalàna fotsiny io, tsy maintsy mandeha mijery an’ilay izy ianareo, manao hoe, “Aza mijangajanga ianao. Aza mangalatra ianao. Aza mandainga ianao. Ianao aza manao an’ity, itsy, na ny hafa.” Hitanareo? Tsy maintsy mijery an’io ianareo.136 Fa ity dia Fanahy izay tonga eo amin’ilay Teny nampanantenaina ho an’ity taona ity, ary mamokatra sy miseho, tsy hoe vato fisaka roa, fa ny Fanatrehan’Andriamanitra velona. Tsy fisainana angano izay foronin’ny olona iray, na Houdini iray, fitaka iray; fa ilay tena teny fikasan’Andriamanitra voambara sy voaseho mihitsy eo anatrehantsika. Ho karazana voaly iray inona io ao ambadika ao io? Ary ny—ny mahavery an’izany…137 Hitanareo, tena lehibe loatra izany hany ka na dia ny olona aza dia nilaza, nilaza izy ireo rehefa nahita an’i Jehovah nidina tao anatin’io Andry Afo io, ka nanomboka nanozongozona ny tany, sy—sy ireo zavatra izay Nataony, ary nirehitra ny tendrombohitra. Ary raha nisy olona nanandrana nandeha teo amin’io tendrombohitra io aza, dia levona. Tena lehibe loatra izany hany ka na dia i Mosesy aza dia natahotra an’ilay fihozongozonana. Noho izany, raha ny tendrombohitra fotsiny no Nohozongozoniny tamin’io fotoana io, amin’ity fotoana ity kosa dia ny lanitra sy ny tany no Hozongozoniny.

Page 30: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

30 NY TENY VOAMBARA

138 Ahoana ny amin’Ity Voninahitra ity? Raha voasarona tamin’ny voaly ara-nofo izany, ity dia tena…voasarona amin’ny voaly ara-panahy. Noho izany dia aza miezaka mijery an’ilay ara-nofo; mitsofoha ao amin’ny Fanahy dia jereo hoe aiza no misy anareo, jereo hoe ora inona no iainantsika.139 Misy dikany ve Izany aminareo? Hitanareo, Izany dia voaly ara-panahy iray izay eo amin’ny olona, manao hoe, “Metodista aho. Izaho dia mbola tsara noho ny olona hafa. Batista aho. Ary Pentekotista aho.” Tsy fantatrareo ve izany, fa izany zavatra izany no voaly ara-fombafomba? Izany no manafina an’Andriamanitra aminareo. Izany no zavatra izay manakana anareo tsy hankasitraka ny rehetra… Oh, hoy ianareo hoe, “Nihiakiaka sy nitsambikina ambony-sy-ambany aho.”140 Hoy Izy hoe, “Ny Teny rehetra!” Eva dia nino ny Teny rehetra afa-tsy ny anankiray. Hitanareo? Ilay izy dia ny Tenin’Andriamanitra manontolo, ilay teny fikasan’izao ora izao tonga voaseho. Hitanareo?141 Mariho ankehitriny raha manohy isika. Manana betsaka ho resahana aho eto, fa manana eo amin’ny roapolo pejy eo aho, saingy izany…an’ny—an’ireo naoty, saingy izaho—izaho dia tsy hiresaka an’izy rehetra. Hitanareo, handeha haingana aho.142 Nisarona niaraka tamin’ny voaly ara-nofo iray izy talohan’ny nahafahany niteny ny Teny tamin’ny olona. Ankehitriny, Andriamanitra dia tsy maintsy manarona ny Tenany, araka ny Nampanantenainy, ao anatin’ny nofon’olombelona. Andriamanitra! Azonareo ve Izany? [Hoy ny fiangonana hoe, “Amena.”—Mpand.] Andriamanitra dia tsy maintsy manarona ny Tenany ao anatin’ny nofon’olombelona, ary mametraka voaly ara-panahy iray eo amin’izy ireo, (manao hoe, “Eny, izaho dia ity ary izaho dia itsy”), mba hitenenana amin’ny olona. Rehefa io voaly io, izay voaly ara-fombafomba, no rovitra miala, amin’izay fotoana izay ny…izay nilazan’izy ireo hoe, “Nahoana, efa lasa ireo andron’ny fahagagana.”143 Zalahy iray no nilaza tamiko indray andro, ny—ny mpitory teny Batista kely iray tany, nanatona ahy, Rahalahy Green, ary hoy izy hoe, “Rahalahy Branham, ity no zavatra anankiray izay anoherako anao.” Hoy izy hoe, “Ianao dia miezaka hanao ny olona…” Tany Ramada Inn tany izany, rehefa nanana an’ilay fivoriana izahay tany. Hoy izy, “Ianao dia miezaka manao ny olona hino taona apostolika anankiray, hiaina amin’izao andro izao toy ny hoe tao amin’ny taona apostolika izy ireo.” Hoy izy, “Ny taona apostolika dia efa nitsahatra niaraka tamin’ireo apostoly.” Hoy aho hoe, “Izany ve?” “Hia.”

Page 31: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

NY FANEHOANA AN’ANDRIAMANITRA 31

Hoy aho hoe, “Iza no mpitondra teny tao amin’ny taona apostolika?” Hoy izy hoe, “Ireo apostoly roa ambin’ny folo tao amin’ny efitra ambony.”144 Hoy aho hoe, “Noho izany dia tsy tao i Paoly.” Hoy aho hoe, “Ny mpitondra teny dia i Petera. Ary Petera no nilaza, tamin’ny Andron’ny Pentekosta, rehefa nahita an’io zava-niseho rehetra io izy ireo, sy ny Fanahy Masina niasa, hoy izy hoe, ‘Ny teny fikasana dia ho anareo, sy ho an’ny zanakareo, ary ho an’ireo izay lavitra, na iza na iza hantsoin’ny Tompo Andriamanintsika.’ Raha mbola miantso foana Izy, koa dia mbola eto ilay Zavatra mitovy. Oviana àry no nitsahatra ny taona apostolika? Ny taona apostolika dia mitsahatra rehefa mitsahatra miantso Andriamanitra.” Tsy niteny zavatra iray mihitsy izy afa-tsy ny nandray ny satrony dia lasa.145 Izany dia mila ny Teny hanao an’ilay izy. Ny Teny izany. Niteny tamin’i Satana Jesosy hoe, “Voasoratra hoe.” Hitanareo? Izay ilay izy, “Voasoratra hoe.”146 Hoy aho hoe, “Petera dia nilaza fa tsy hifarana mihitsy izany. Arak’izay antsoin’ny Tompo, dia ho azy ireo izany Fitahiana izany. Ankehitriny ianao dia milaza hoe, ‘Nijanona Izy.’ Oviana?” “Tsy misy lolom-po?” Hoy aho hoe, “Tsia, tompoko, na kely aza. Mandehàna.” Eny àry. Hitanareo?147 Petera dia nilaza fa izany dia ho an’izay rehetra hantsoin’Andriamanitra, handray an’ilay Fitahiana apostolika iray ihany. Izany no—izany no Tenin’ny Tompo. Hitanareo?148 Ankehitriny ilay voaly ara-nofo. Andriamanitra, ny Teny, dia voasarona tao anatin’ny nofon’olombelona. Inona izany? Voasarona tao anatin’i Mosesy Andriamanitra. Tao amin’i Mosesy Andriamanitra, voasarona, ary ny Fanatrehan’Andriamanitra no tao aminy. Tena tanteraka tokoa izy niaraka tamin’io Teny io tao anatiny tahaka an’izany, hany ka tsy maintsy nanarona ny tavany izy. Ary mpaminany voamarina iray no naneho ny Teny ka nilaza tamin’izy ireo hoe, “Aza manao an’izao ianao! Manaova an’izao ianao! Ary aza manao an’izao ianao!” Hitanareo?149 Mba hanomezana ny Teniny ho an’io taranaka io, dia nanarona ny Tenany tao anatin’ny vatan’olombelona iray Izy, raha tsy izany ny Teny dia ho nanajamba na dia ilay nantsoina nivoaka aza. Hitanareo? Na dia ireo olona izay teo aza, dia tsy afaka nijoro mba hijery an’izany izy ireo. Ao amin’ny—ao amin’ny Eksodosy dia hitantsika fa, hoy izy ireo hoe, “Aoka i Mosesy no hiteny, fa tsy Andriamanitra.” Hitanareo ve hoe nahoana no tsy miseho betsaka ilay Andry Afo? Hitanareo?

Page 32: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

32 NY TENY VOAMBARA

150 Hoy Andriamanitra hoe, “Izaho—Izaho—Izaho dia hanao an’izany. Hanangana Mpaminany iray ho azy ireo Aho.” Amena! “Hanangana anankiray ho azy ireo Aho.” Ary tonga tanteraka tokoa Izy. “Hanangana Aho, ary hanana Izy, ho ny Teny.”151 Hoy Izy hoe, “Raha te-hahita izy ireo hoe inona ny Teny…” Hoy Izy, “Ankehitriny, ry Mosesy, efa niseho taminao Aho tany tao amin’ilay roimemy nirehitra.” Hoy Izy, “Handeha hidina Aho ary hanao an’io tendrombohitra io hirehitra.” Hoy Izy, “Ho hitan’izy ireo fa nilaza ny fahamarinana ianao. Hiseho eto Aho ao amin’ilay—ao amin’ilay—ilay firehetana iray ihany. Hiseho eto Aho ary hanaporofo amin’ny olona, hanamarina ny asam-panompoanao Aho.” Izany no Nolazainy tamin’i Mosesy eto, teny marobe.152 Mariho, hoy Izy hoe, “Ankehitriny Aho dia handeha—Aho dia handeha hanome voninahitra anao eo anatrehan’ny olona.” Hoy Izy, “Ankehitriny, ianao no niteny tamin’izy ireo fa nihaona taminao Aho tany tao amin’ny roimemy mirehitra iray; ankehitriny dia handeha hidina Aho, ilay Afo iray ihany, ary Havelako ny olona hahita fa tsy nandainga mihitsy ianao mikasika an’Izany.” Afaka manaporofo an’Izany ara-tsiansa ianareo, na izany aza, raha tianareo. Hitanareo? “Handeha hidina mihitsy Aho ary hamela azy ireo hahafantatra.”153 Ary rehefa nanomboka nikotroka Izy, rehefa nanomboka nampikotroka Jehovah, dia hoy ny olona hoe, “Tsia! Tsia! Tsia! Aza avela hiteny Jehovah; izahay dia ho—izahay dia ho faty.”154 Hitanareo, tsy maintsy nisarona Izy, noho izany dia nanarona ny Tenany tao amin’i Mosesy Andriamanitra ary nanome ny Teny ho an’i Mosesy. Ary nidina i Mosesy ka niteny ny Tenin’ny Tompo, tao anatin’ny voaly iray teo amin’ny tavany. Marina ve izany? Jehovah voasarona tao anatin’ny endrika mpaminany iray, satria izany dia hanao tanteraka…Ary nilaza Andriamanitra fa tsy hiteny amin’izy ireo tahaka an’izany intsony Izy. Hiteny amin’izy ireo amin’ny alàlan’ny mpaminany iray fotsiny ihany Izy. Izany no fomba tokana izay hany Nitenenany nanomboka teo. Izany no fomba tokana izay hany Nitenenany. Marina izany. Tsy nisy fomba iray hafa mihitsy. Tsy mandainga Izy.155 Mariho, i Mosesy irery ihany no nanana ny Teny. Ankehitriny, tsy nisy ny—ny vondrona iray izay nidina, tsy hoe ireo Fariseo fotsiny, na ireo Sadoseo, na tsy hoe nisy ny—ny sekta anankiray na antoko iray. Mosesy izany! Naka lehilahy anankiray Izy. Tsy afaka maka saina roa na telo samihafa Izy. Lehilahy iray no Alainy. Mosesy no nanana ny Teny, ary Mosesy irery. Na dia i Josoa aza tsy nanana an’Izany. Tsy nisy

Page 33: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

NY FANEHOANA AN’ANDRIAMANITRA 33

olon-kafa nanana an’Izany. Amena! Josoa dia—dia jeneraly iray; Josoa dia komandin’ilay tafika; Josoa dia mpino iray, Kristiana iray. Fa i Mosesy dia mpaminany iray! Tsy afaka ny ho tonga amin’i Josoa ny Teny; tsy maintsy tonga amin’i Mosesy Izany. Izy no mpaminany lehibe an’ilay ora. Mariho, ny Teny dia tsy tonga tamin’i Josoa mihitsy raha tsy efa lasa i Mosesy. Tsia, tompoko. Andriamanitra dia mifanaraka amin’ny anankiray isaky ny fotoana iray. Andriamanitra dia iray. Hitanareo? Ankehitriny, i Mosesy irery ihany no nanana ny Teny, fa tsy vondrona iray.156 Jereo, Andriamanitra dia nampitandrina ny olona rehetra tsy hanandrana hanaraka an’i Mosesy ao anatin’io voaly io; mpaka tahaka. Hitanareo? Vehivavy, lehilahy, mpisorona, na iza izy na iza, masina toy ny ahoana, olona toy ny ahoana, be voninahitra toy ny ahoana, betsaka toy ny ahoana izy ireo; nampitandrina Izy hoe, “Aoka i Mosesy irery no ho avy! Ary raha misy olona, na dia biby iray aza, mikasika an’izany, dia tsy maintsy maty eo avy hatrany.” Aza mamaky eo anoloan’io voaly io mihitsy. Ho an’olona anankiray ihany io voaly io. Io Hafatra io dia iray. Hitanareo? Tao amin’ny tempoly, dia lehilahy anankiray no niditra tao indray mandeha isan-taona, voahosotra ary nomanina hiditra ao; tsy hoe hamoaka ny Teny, fa hanatitra rà. Na dia ny handeha hiditra eo anoloan’Izany aza, dia anankiray ihany. Ny olona hafa iray dia maty. Hitanareo?157 Maty ara-panahy izy ireo ankehitriny. Ity dia voaly ara-panahy. Hitanareo? Io dia voaly ara-nofo iray. Ity dia voaly ara-panahy. Hitanareo? Manohy miditra ao ambadika izy ireo, afaka miteny amin’izy ireo ianareo. “Oh, fantatro! Fantatro izany, saingy izaho…” Hitanareo, mandehàna, mety daholo izany, izany dia miteny fotsiny…Tsarovinareo, fa ilay loza farany tao Egypta dia ny fahafatesana, talohan’ilay fifindrana. Ny loza farany eto an-tany dia ny fahafatesana ara-panahy, alohan’ilay fifindrana. Avy eo dia ho dorana izy ireo ary hiverina amin’ny vovoka indray, fa ny marina dia hanitsaka eo amin’ny lavenon’izy ireo. Fa ny zavatra farany dia ny fahafatesana ara-panahy, nandà ny Teny.158 Ankehitriny mariho, Andriamanitra dia nampitandrina ny olona rehetra tsy hanandrana hanaraka an’i Mosesy ao anatin’ilay voaly Afo. Tsy maintsy voasarona i Mosesy, tsy maintsy nivoaka avy tao izy. Niditra i Mosesy amin’ny maha-Mosesy, niditra tao anatin’io Andry Afo io; fa rehefa nivoaka izy, dia voasarona izy. Satria, niditra Tao izy, afaka tamin’ireo fombafomba, ireo fombafomban’ny loholona. Izy dia efa nahita an’ilay Andry Afo, saingy ankehitriny izy dia miditra ao anatin’ilay Andry Afo. Hitanareo? Amena! Ary nivoaka izy, voasarona. Tenin’Andriamanitra ao anatin’ny lehilahy iray, voasarona! Indro izy nivoaka, oh, oadray, azoko jerena izany. Nampitandrina mba tsy hisy olon-kafa

Page 34: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

34 NY TENY VOAMBARA

hanandrana an’izany, tsy hisy olon-kafa haka tahaka an’Izany. Tsaratsara aminareo ny tsy manao. Hitanareo? Na dia mpisorona iray aza na lehilahy masina iray, na iza izy na iza, kardinaly, eveka, ny zavatra hafa, manandrana hiditra ao anatin’io voaly io, dia maty. Nampitandrina azy ireo Andriamanitra. Tsy hanana fakan-tahaka isika.159 Ny Teniny dia voambara amin’ny anankiray. Izany foana ilay izy, mpaminany iray no tonga miaraka amin’ny Tenin’ny Tompo, isaky ny taona, isan’andro, manerana ny Soratra. Tonga amin’ny anankiray ny Teny. Ao amin’ny taona tsirairay, dia mitovy, na dia tao amin’ireo taonan’ny fiangonana aza, hatramin’ilay voalohany indrindra ka hatramin’ilay farany. Manana ny toerany ireo hafa, marina izany, mariho, saingy mialà lavitra an’io Andry Afo io. Hitanareo? Lesona iray toy ny inona no ianarantsika eto! Hitanareo, ny olona rehetra dia te-ho Mosesy daholo, ary ny olona rehetra…160 Tsaroanareo ve izay nolazain’i Datana sy ireo hafa tany? Hoy izy ireo hoe, “Ankehitriny, ry Mosesy, andraso iray minitra fotsiny! Maka be loatra ho anao irery ianao, hitanao. Ankehitriny, misy olona hafa eto izay nantsoin’Andriamanitra.”161 Marina izany. Izy ireo, ny tsirairay avy, dia nanaraka tsara raha mbola nandeha foana izy ireo, fa rehefa nanandrana nitsangana ny anankiray ka naka ny toeran’Andriamanitra izay Nomeny an’i Mosesy, izay voafidy mialoha sy voatendry ho an’io asa io, nanandrana naka an’izany, dia nidina ny afo ary nanokatra ny tany ka nitelina azy ireo avy hatrany tao anatin’izany. Hitanareo? Hitanareo? Mitandrema tsara. Hitanareo? Aoka fotsiny ho tsara iray, Kristiana masin’Andriamanitra, mino ny Teny. Hitanareo? Mialà lavitra an’io Andry io. Lesona iray toy ny inona!162 Niseho tamin’i Mosesy tao amin’ny roimemy nirehitra iray aloha Andriamanitra, voasarona tao anatin’ilay Andry Afo Andriamanitra. Ankehitriny henoy tsara mihitsy ankehitriny mandritry ny iray minitra. Andriamanitra, dia tonga teo amin’i Mosesy aloha, voasarona Izy. Andriamanitra dia tao anatin’ny Andry Afo iray, niafina tao anatin’ny roimemy iray, hitanareo; tahaka ny tao ambadik’ireo hoditra, hitanareo, tao amin’ilay toerana fanaovam-panavotana teo amin’ny alitara tany. Hitanareo? Voasarona Izy. Voasarona foana Izy. Ary rehefa tonga teo amin’i Mosesy Izy, dia tao anatin’ny Andry Afo iray Izy, voasarona tao anatin’ilay Andry Afo. Fa eto, teo anatrehan’ny olona, dia nanamarina azy Andriamanitra tamin’ny alàlan’ilay Andry Afo iray ihany. Hitanareo? Mosesy dia nilaza…163 Ankehitriny diniho. Mamaky ve ianareo? [Hoy ny fiangonana hoe, “Amena.”—Mpand.] Mamela ny sainareo handeha lavitra be ve ianareo? Afaka ve ianareo? Afaka…“Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino.” Hitanareo?

Page 35: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

NY FANEHOANA AN’ANDRIAMANITRA 35

164 Rehefa niseho tamin’i Mosesy Andriamanitra, dia tao anatin’ny Andry Afo iray izany, rehefa niantso azy ho amin’ny asam-panompoany Izy. Ary tonga i Mosesy ka nilaza tamin’ny olona mikasika an’izany. Tsy nety nino an’izany izy ireo, kanefa dia nanao fahagagana sy ny sisa izy. Fa, tamin’io fotoana io, Izy hita maso, no niseho ara-tsiansa ka nanamarina ny asam-panompoan’i Mosesy ho ilay Andriamanitra iray ihany izay niresaka taminy, satria Izy niseho tao amin’ny endrika Andry Afo ary nanao ny tendrombohitra hirehitra. Ary tonga teo amin’i Mosesy Izany tao anatin’ny roimemy iray, niresaka taminy. Eny àry.165 Andriamanitra dia niseho aloha, tamin’i Mosesy, tao anatin’ny roimemy nirehitra, voaly. Teo anatrehan’ny olona, dia voasarona indray Andriamanitra ary nanamarina an’i Mosesy, tamin’ny alàlan’ny voaly, tamin’ny fanaronana ny Tenany tamin’ilay Afo iray ihany, Andry Afo iray ihany no nidina. Nanomboka—nanomboka teo…Avy teo amin’izy ireo, mba hahafahan’izy ireo mandre ny Tenin’Andriamanitra. Azonareo ve ilay izy? Ny Teny fotsiny, nandre ny Feony izy ireo. Satria, Mosesy dia, ho azy ireo, ny Teny velona. Mosesy! Hitanareo, tena nanaporofo mihitsy an’ilay Teny tamin’ny alàlan’i Mosesy Andriamanitra! Hitanareo, Mosesy dia nilaza…Hoy Andriamanitra tamin’i Mosesy hoe, “Mandehana midina eo. Homba anao Aho. Izy dia…Tsy hisy na inona na inona hahatsangana eo anatrehanao. IZAHO ILAY IZAHO NO IZY.”166 Nidina i Mosesy, ary nanao hoe, “Mety tsy hino an’izao ianareo, angamba, fa Andriamanitra no niseho tamiko tao anatin’ny Andry Afo ary niteny tamiko an’ireo zavatra ireo Izy.”167 “Oh, manana ny karazan-javatra rehetra izay miseho izahay.” Hoy i Farao hoe, “Nahoana!” Hoy i Pasitera Farao hoe, “Eny, manana fitaky ny mpanao majika mora kely ianao. Nahoana, izaho manana an’ireo mpanao majika eto izay afaka mamadika menarana iray ho…tehina iray—tehina iray ho menarana iray. Avia eto, ry mpanao majika.” Ary tonga teo izy ireo ary nanao an’ilay zavatra mitovy.168 Nahafantatra i Mosesy. Tsy nisy na inona na inona nanelingelina azy. Na maro toy ny ahoana aza ireo mpaka tahaka nananan’izy ireo, dia tsy nampisy fahasamihafana izany na kely aza. Nipetraka tsara fotsiny i Mosesy. Ny zavatra voalohany fantatrareo, nandadilady nanodidina vetivety izy ireo, ary, avy hatrany, dia nohanin’ny menaranan’i Mosesy ny sisa tamin’izy ireo. Hitanareo? Nahoana? Tahaka an’ireo apostoly, tsy nahay nanazava an’Izany izy ireo. Mosesy dia tsy nahafantatra hoe ahoana no hanaovan’Andriamanitra an’ilay izy, saingy Hataony izany.169 Tsarovy, fa Izy no nilaza fa hiverina indray i Jambra sy Jana amin’ny andro farany, hitanareo, fakan-tahaka. “Ary

Page 36: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

36 NY TENY VOAMBARA

hamitaka ny tena Voafidy raha azo atao,” Matio 24:24. Hitanareo? Ireo zavatra mitovy tanteraka mihitsy, hanao an’ilay karazana fahagagana iray ihany sy ny sisa. Diniho io Teny io! Diniho io Teny io! Ilay olona dia milaza fa manao fahagagana iray izy nefa mbola te-hino foana fa misy Andriamanitra telo, ary misy an’ireo karazany rehetra ireo; mialà ianareo lavitra an’izany karazana izany. Isika dia mahafantatra fa izany dia—izany dia diso, hitanareo, tsy misy zavatra tahaka an’izany. Hitanareo? Ny Teny, ny Teny rehetra, ny Teny rehetra izay mivoaka ny vavan’Andriamanitra! Genesisy, Teny anankiray! Eto, dia milaza hoe, “Aza manala na manampy teny anankiray.” Hitanareo, tsy maintsy ho ilay Teny iray ihany Izany. Hitanareo?170 Mariho, ireo olona dia nahita zavatra izay efa nitranga. Mosesy dia voasarona amin’ny maha…Mpaminany iray izy, ary Andriamanitra no nanamarina ny Teniny ankehitriny, nidina teo. Ary nahita an’ireo famantarana sy fahagagana izy. Ary avy eo, eny àry, ity vahoaka ity dia nampisaraka ny tenany, fiangonana iray. Hitanareo, fiangonana dia midika hoe “nantsoina hivoaka.” Hitanareo? Rehefa avy nantsoina hivoaka avy ao amin’izao tontolo izao izy ireo ka lasa vahoaka iray, hitanareo, tamin’izay fotoana izay Andriamanitra dia namela ny Tenany ho fantatra fa Izy io Andry Afo io. Nanaporofo ny hafatr’i Mosesy Izy. Hitanareo? Izy ilay Andry Afo. Mety ho naka ny sarin’Izany izy ireo, heveriko, raha nanana fakan-tsary izy ireo, satria Nirehitra ny rehetra. Fa izy ireo—izy ireo no nanaporofo an’izany, Andriamanitra no nanaporofo fa marina ilay Hafatra. Antomotra ilay Hafatra, ny zavatra rehetra dia izany, hafindra izy ireo avy eo. Nanarona ny Mpaminaniny ho an’io vahoakan’ny fifindrana io.171 Ireo vahoaka, eritrereto, dia nahita zavatra izay nitranga teo aminy. Hafa noho ny sisa tamin’ireo Isiraelita izy ankehitriny. Hafa anankiray izy, hafa ny hafany, hafa noho ireo mpisorona izy, hafa noho ny zavatra rehetra izy. Hitanareo, olona hafa iray izy. Nahita zavatra iray izay nitranga ny vahoaka. Nanarona ny Tenany tao amin’ny Mpaminaniny Andriamanitra, mba hiteny ny Teniny amin’izy ireo. Izany no Nataony. Mosesy io Teny velona io ho an’ny olona, voasaron’ilay Andry Afo, niteny an’izay ho voasarona ao ambadik’ireo hodi-takasy any aoriana. Hitanareo?172 Ny Teny dia tsy maintsy tonga tamin’i Mosesy, aloha. Hitanareo? Mosesy no nanana ny Teny. Nosoratan’Andriamanitra izy ireo, tsy nisy olona afaka nandika Azy ireo, Mosesy no tsy maintsy nandika Azy ireo, aloha. Izany no antony nanaronany ny tavany, satria izy…Hitanareo ve Izany? [Hoy ny fiangonana hoe, “Amena.”—Mpand.] Hitanareo?

Page 37: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

NY FANEHOANA AN’ANDRIAMANITRA 37

Ity Izy. [Nandray ny Baiboliny Rahalahy Branham—Mpand.] Afaka mandray Azy isika, maka Azy, sy ny zavatra hafa rehetra eo, saingy tsy maintsy voambara Izany. Mba hanambarana, dia tsy maintsy lasa Andriamanitra teo amin’ny olona i Mosesy. Hoy ianareo hoe, “Hadalana izany.”173 Nahoana, Izy no nilaza, nilaza tamin’i Mosesy aza, Izy tenany hoe, “Ho Andriamanitra ianao, ary Arona no ho mpaminaninao!…?…” Hitanareo? Noho izany dia tonga teo Izy, hitanareo, tsy maintsy nanarona ny Tenany Izy, satria Andriamanitra dia ao ambadiky ny voaly iray foana. Oh, oadray! Hitanareo ve Izany? [Hoy ny fiangonana hoe, “Amena.”—Mpand.] Miafina amin’ny be sy ny maro Andriamanitra.174 Hoy Izy, “Ray, misaotra Anao Aho, fa Ianao no nanafina an’Izany tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina, ka nanambara an’Izany tamin’ireo zaza madinika, tamin’ireo izay te-hianatra.” Hitanareo?175 Andriamanitra dia niafina tao ambadiky ny voaly. Mosesy nanarona ny tavany. Mosesy no Teny velona voasarona tamin’izany. Nahita an’ilay Andry Afo ny vahoaka, nanao hoe, “Ankehitriny dia afa-po izahay.” Hitanareo? “Aoka i Mosesy no miteny.” Hitanareo? “Aza avela miteny Andriamanitra, fandrao maty izahay.” Nandeha niditra avy hatrany tao amin’io Andry Afo io i Mosesy. Hitanareo?176 Ary milaza ankehitriny, hoy Izy hoe, “Ankehitriny Izaho—Izaho dia tsy hiteny amin’izy ireo tahaka an’izao intsony. Hanome mpaminany iray ho azy ireo Aho.” Hitanareo? Ary izany foana no fomba Nanaovany an’ilay izy. Hitanareo? Hoy Izy, “Ankehitriny aoka izy ireo hiakatra.” Saingy ity mpaminany ity no tsy maintsy nanana an’io Teny io. Raha voasaron’ny fombafomba iray izy, dia tsy naniraka azy mihitsy Andriamanitra. Raha voasaron’ny Teny izy, dia Andriamanitra no hanamarina an’Izany. Andriamanitra no mandika ny Teniny Manokana. Mosesy no niteny Azy ireo; Andriamanitra no nandika Azy ireo. Amena.177 Hoy i Mosesy hoe, “Ny Tompo no niteny an’izany!” Ary ny Tompo dia nanao fotsiny an’izay Nolazainy. Izany no nanao Azy ho marina.178 Ankehitriny hoy Izy hoe, “Ankehitriny, ry Mosesy, dia azonao. Mahazo ny olona ankehitriny. Hitanao, efa Nasehoko ianao, efa Nohamariniko ianao.” Nanarona ny Tenany tao anatin’io mpaminany io Andriamanitra, mba hiteny ny Teniny amin’ny olona. Mosesy no Andriamanitra velona ho azy ireo, ny Tenin’Andriamanitra velona izay tonga voaseho. Izay no antony nahatonga ny endriny ho voasarona. Hitanareo?179 Ary fantatrareo ve fa io zavatra iray io ihany dia voasarona ao anatin’ny Kristiana iray tena izy amin’izao andro izao, ho

Page 38: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

38 NY TENY VOAMBARA

an’ireo tsy mpino? Mahita an’ireo vehivavy miaraka amin’ny volo lava sy ny sisa izy ireo, milaza fa izany dia…“Jereo io modely tranainy io.” Ireo vehivavy izay manolankolana ny volony any aoriana, dia manao hoe, “Manana kodiarana iray vaky ianao, misy kodiarana fanolo io ambony io.” Hitanareo, voasarona tanteraka Izany. Jamba izy ireo. “Oh,” hoy izy ireo, “Izaho manana Ph.D, L…” Tsy ahoako izay anananareo, mbola tsy manam-pahalalana ny Teny foana ianareo. Tena marina. “Oh, izany, izany dia zavatra tsy dia maninona loatra. Izaho…” Raiso aloha ireo lesona madinika.180 Ahoana ny amin’ireo olona izay milaza fa voasarona ao anatin’ny Fanatrehan’Andriamanitra izy ireo, nefa mitory fombafombam-piangonana anankiray? Oh, mamindrà fo, miantrà! Izay manampy na manaisotra, sy ny zavatra hafa, amin’ny alàlan’ny fanatsofohana an’ireo heviny manokana sy ireo fisainany manokana, fa tsy ny Tenin’Andriamanitra, hitanareo, dia karazana voaly iray inona? Izany no atao hoe nahazo voalin’ny mpitondra fivavahana iray. Norovitin’Andriamanitra nisokatra nidanadana izany voaly izany!181 Hoy izy ireo hoe, “Tsy misy izany karazana mpaminany izany. Tsy misy izany karazan-javatra izany, amin’izao andro farany izao, toy ny hoe apostoly sy mpaminany. Tsy misy izany fanasitranana avy amin’Andriamanitra izany. Tsy misy an’izany mpahita izany, intsony. Tsy misy izany Marka 16 tanteraka izany. Efa tapitra ny taona apostolika.” Saronan’izy ireo amin’ny olona Izany. Fa nivoaka avy hatrany Andriamanitra niaraka tamin’ny Fanahiny Masina Afo, ary nandrovitra an’ilay zavatra avy any ambony nankany amb-…[Elanelana tsy voaraki-peo—Mpand.] Nandrovitra an’ilay voaly Andriamanitra.182 Mosesy no voaly, ilay Tenin’Andriamanitra dia voasarona tao ambadiky ny nofon’olombelona. Tao anatin’i Mosesy ilay Andry Afo, mazava ho azy, miresaka ny amin’izay tsy maintsy ho voasarona ao ambadik’ireo hoditra any aoriana, hitanareo.183 Ankehitriny, izany, ny Teny, ny Teny dia nomena, avy eo dia nosoratana Izany, avy eo dia napetraka tao ambadika tao Izany ary mbola voasarona, satria tao anatin’io Teny io foana Andriamanitra. Amena! Izy no Teny, isan’andro. Tao anatin’io Teny io Izy. Izay no antony tsy maintsy nisaronan’ilay Teny.184 Oh, rahalahy, ranabavy, azonareo ve Izany? [Hoy ny fiangonana hoe, “Amena.”—Mpand.] Jereo! Tsy hitanareo ve? Voasarona Izany nandritr’ireo taona ireo, arak’izay nolazain’Andriamanitra, ary ho voasokatra Izany amin’ny andro farany, hivaha ireo Tombokase Fito ireo, ary ho hitan’ny olona miharihary ilay Zavatra manontolo, izay niseho hatramin’izay. Ny oran’ny Hafatr’ilay anjely fahafito,

Page 39: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

NY FANEHOANA AN’ANDRIAMANITRA 39

ireo zava-miafin’Andriamanitra rehetra dia ho fantatra ao amin’io Elia io, izao ora farany izao; ahoana fa noroahina tao amin’ny Fiangonany i Kristy, ilay Zanak’Andriamanitra; ahoana fa voambara ho Zanak’olona indray Izy; ahoana fa tsy maintsy halamina ilay Fiangonana, sy ny zavatra rehetra ho an’ny andro farany, tsy misy fanekem-pinoana, tsy misy anaram-piangonana, fa ny Teny velona tanteraka fotsiny ao amin’ny isam-batan’olona. “Halaiko ny anankiray, ary havelako ny anankiray. Halaiko ity, ary havelako itsy anankiray itsy.” Hitanareo? Misy fotsiny…Tsy misy fatotra, tsy misy anaram-piangonana, tsy misy famatorana na inona; izany dia ny fo miaraka amin’Andriamanitra, ary Izy irery ihany. Hitanareo?185 Mariho, voasarona tao anatin’ny nofon’olombelona iray. Mosesy niaraka tamin’io Teny io, dia niresaka ny amin’izay tsy maintsy hapetraka ao ambadik’ireo hodi-takasy any aoriana. Mba…Dia toy izany koa i Kristy ilay Mosesintsika. Kristy no Mosesintsika. Izy no Andriamanitra voasarona tao anatin’ny nofon’olombelona, voasarona tao amin’ny maha-olombelona, tao anatin’ny nofo. Marina izany. Ary Izy no tsy miova omaly, anio, ary mandrakizay. Voasarona tamin’ny alàlan’ireo hodi-takasy Izy. Voasarona Izy. Ary amin’izao fotoana izao Izy dia voasarona ao anatin’ny lehilahy iray. Hitanareo? Ankehitriny mariho, “tsy miova omaly, anio, ary mandrakizay,” nampanantena ny Teniny ho an’ity taona ity. Mbola Kristy foana Izy, ilay Teny nampanantenaina ho an’ity taona ity, voasarona ao anatin’ny nofon’olombelona. Ny Teny dia Andriamanitra.186 Ilay hosotra dia olona iray. Ny teny hoe Kristy dia midika hoe anankiray voahosotra, hitanareo, “ilay anankiray voahosotra.” Noho izany, i Mosesy no Kristy tamin’ny androny, izy no ilay anankiray voahosotra. Jeremia no Kristy tamin’ny androny, niaraka tamin’ny ampahany iray an’ny Teny tamin’izany andro izany.187 Fa rehefa tonga Jesosy, dia tonga ho Mpanavotra Anankiray Voahosotra Izy; ary izany dia sady i Mosesy no izay rehetra tao amin’i Mosesy, sy ny Teny rehetra, ary ny vatan’ny maha-Andriamanitra rehetra dia tao Aminy. Izany no antony naharovitra ny voalin’ny tempoly rehetra, ary lasa niharihary tanteraka ilay toerana fanaovam-panavotana, Izy ilay Anankiray voahosotra.188 Mariho ankehitriny, ilay voaly tao anatin’ny nofon’olombelona, ilay Teny nampanantenaina ho an’izao taona izao dia tsy maintsy voasarona ihany koa. Mariho. Ireo mambram-piangonana tia fahotana sy ireo mpanota dia tsy afaka mahita an’Izany noho ilay voalin’olombelona.189 Izay no antony tsy nahafahan’izy ireo nahita Azy. “Nahoana, olona iray Izy. Avy taiza Izy? Kara-pikambanana

Page 40: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

40 NY TENY VOAMBARA

inona no Ananany? Fiangonana inona no Ikambanany?” Te-hiresaka ny amin’izany aho rahariva hoe, “Fiangonana inona no Ikambanany?” Hitanareo? Ary noho izany, hitanareo, ankehitriny, “Fiangonana inona no Ikambanany, inona—inona ilay vondrona? Sekoly inona no Nananany? Taiza no Nahazoany ny Fianarany? Eny, io Lehilahy io dia teraka, araka ny fomba, na araka ny—ny tantara mikasika Azy eto amin’ny manodidina eto, io Lehilahy io dia teraka ivelan’ny mariazy masina. Nahoana, Izy, azo antoka, Izy dia avy amin’ny devoly. Hitanareo, Izy dia—Izy dia avy amin’ny devoly. Izy dia teraka ivelan’ny mariazy masina, ary i Josefa dia nanambady azy fotsiny ka tsy haha-voatorabato azy, satria mpijangajanga iray izy. Ary tonga eto io Lehilahy io ka miteny amintsika mpisorona an’izay hatao?”190 Ary nitsangana teo Andriamanitra, nanambara an’ilay Teny, niantsoantso hoe, “Andriamanitro, nahoana Ianao no nahafoy Ahy?” Ireo tena hira izay nohirain’izy ireo tao amin’ny tempoly mihitsy, izay nataon’i Davida ho azy ireo taona maro lasa izay, mikasika an’i Kristy. “Ny Taolako rehetra dia mibanjina Ahy. Manindrona ny Tànako sy ny Tongotro izy ireo.” Ary nitsangana teo izy ireo, nihira an’izany, ary ilay tena Lehilahy mihitsy no maty teo amin’ny hazo fijaliana. Ary nahavita izy ireo ka ilay…191 Rehefa maty Izy, dia nidina ilay Andriamanitry ny Lanitra, tahaka ny Nataony teo amin’ny Tendrombohitra Sinay, niaraka tamin’ny Afo Masina, ka nandoro an’io voalin’ny tempoly io avy any ambony nankany ambany, nandrovitra an’izany nisaraka. Ary inona no azon’izy ireo natao? Nijery mihitsy teo amin’ilay varavaran-kelin’ny tempoly, teo Kalvary, ary teo Andriamanitra hita niharihary, ilay Fanatitra.192 Saingy mbola tsy mahita an’Izany foana izy ireo, ankehitriny. Andriamanitra amin’izao andro farany izao dia nandrovitra tanteraka an’ireo fombafomba, ka nitondra an’ilay Teny ho an’ity taona ity ho hita miharihary, nefa dia mbola tsy fantatr’izy ireo foana Izany. Tsy fantatr’izy ireo fotsiny Izany. Ilay izy dia—ilay izy dia tena tsotra. Hitanareo, ilay izy dia tena tsotra fotsiny. Ilay izy dia tena lavitra an’ireo zavatr’izao tontolo izao.193 Nitory aho indray andro tao amin’ny fivoriana anankiray, ny amin’ny, “Tonga adaladala iray.” Indray andro any dia tiako ny hiresaka eo amin’izany, “Tonga adaladala iray.” Isika rehetra dia adaladala ho an’ny olona, noho izany—noho izany dia ho anankiray ho an’i Kristy aho. Paoly dia nilaza fa izy “dia natao ho adala iray.” Azo antoka, tokony ho izany ianareo. Hitanareo, mila bilao iray hihazona an’ireo zavatra hitambatra. Hitanareo? Marina izany.194 Koa mariho ilay voaly, ilay nofon’olombelona. Tsia, ankehitriny, ireo olona tia fahotana dia tsy afaka nahita

Page 41: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

NY FANEHOANA AN’ANDRIAMANITRA 41

an’izany. Ireo olona mpivavaka ara-fombafomba, tsy afaka nahita an’izany izy ireo, satria olona iray Izy. Nahoana? Io nofon’olombelona io dia nanafina an’Andriamanitra.195 Ankehitriny, raha Andry Afo lehibe iray izay nidina Izy, hitanareo, Andry Afo lehibe iray no nidina ka naneho tamin’izy ireo izay naha-izy Azy, hoe Izy io Andry Afo lehibe io, tokony ho nino an’izany izy ireo; raha nandeha nanodidina teo Jehovah.

Saingy hitanareo izay Nataony, mba Nahafahany nandalo fotsiny an’ireo olona manam-pahalalana, hendry, dia nanambara ny Tenany fotsiny Izy araka ny Nampanantenainy an’i Mosesy, hitanareo, “Hiteny amin’izy ireo amin’ny alàlan’ny Mpaminany iray Aho.” Ary Izy no Zanak’olona, Mpaminany iray. Ary ny sasany tamin’izy ireo no nahafantatra an’Izany, teo amin’ny iray ampahazaton’ny iray isan-jato teto amin’izao tontolo izao, izy ireo no nino an’Izany; ny sisa tamin’izy ireo dia tsy nino. Fa, Izy dia, tsy miova mihitsy.196 Fa nitsangana niharihary teo ilay Andriamanitra Mahery, ilay Toerana Fanaovam-panavotana! Maty Izy rehefa nilaza ireo Zanany Manokana…Teo ireo Zanany Manokana, nanao hoe, “Tsy hila Azy izahay! Ialao Izy!” Nororaina Izy.197 Tandindona iray, tany aoriana tany, rehefa nandao ny tempoly i Davida, mpanjaka nolavina. Nandeha teny an-dàlambe izy, ary lehilahy kely iray, antitra mandringa nitaritarika teo, tsy tia azy mihitsy, izy no niantso azy hoe “mpihatsaravelatsihy antitra” na tahaka an’izany, nandrora avy hatrany teo amin’ny tavany. Ary namoaka ny sabany ilay mpiandry, nanao hoe, “Hamela ny lohan’io alika io hipetraka eo aminy ve aho; nefa nandrora ny mpanjakako?”198 Hoy i Davida hoe, “Avelao izy hipetraka tsara, Andriamanitra no nilaza taminy an’izao.” Ary mety tsy nahafantatra an’izay nolazainy angamba i Davida. Niakatra teo an-tendrombohitra izy, nijery nankany, nitomany.199 Valon-jato taona taorian’izany, dia niakatra teo amin’ilay tendrombohitra iray ihany ilay Zanak’i Davida, nitazan-davitra, nitomany an’i Jerosalema, Mpanjaka nolavina iray. Ary nororain’izy ireo ny Tavany.200 Tsy hitanareo ve? Zavatra mitovy izany. Hitanareo ve ilay Teny mitohy, manohy midina amin’izao andro izao? Lavin’ny maro an’isa foana, hitanareo, ary inoan’ny vitsy an’isa.201 Ankehitriny, hitanareo, tsy nety nino an’Izany izy ireo. Ireo Grika ireo, tsy afaka nahita Azy izy ireo, tao anatin’ny Tempoliny olombelona Izy. “Nahoana,” hoy izy ireo, “ny anaran’io lehilahy io dia Jesosy; avy any Nazareta Izy.”

Page 42: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

42 NY TENY VOAMBARA

202 Ankehitriny, anarana anankiray ihany no nananan’izy ireo tamin’ireo andro ireo. Tahaka ny hoe, “John, Jim,” hoy izy ireo hoe, “John avy any Jeffersonville, Jim avy any New Albany,” na zavatra tahaka an’izany, hitanareo.203 Hoy izy hoe, “Io no Jesosy avy any Nazareta. Efa mahazatra ny mino fa ny Reniny dia bevohoka tamin’ny miaramila iray.” Hitanareo? Ary dia izany tanteraka no ninoan’izy ireo tamin’izany. Azo antoka! Ary ndao atao hoe nilaza izy ireo, ankehitriny hoe, “Ary io no Jesosy avy any Nazareta.” Hitanareo? “Iza Izy?” Hitanareo, tsy nety azon’izy ireo Izany.204 Fa, nahoana, ity Teny ity ho an’izany andro izany, rehefa nitory teny Izy, nanao hoe, “Diniho ny Soratra. Ao Aminy no heverinareo fa hanananareo ny Fiainana Mandrakizay, ary Izy ireo no manambara hoe Iza Aho. Raha tsy mety mino Ahy ianareo; adinoy Aho, amin’ny maha-voaly iray, inoy ny Teny izay mivoaka. Ny anankiroa dia vavolombelona,” hoy Izy hoe, “Miteny Aho ary ny Ray no miteny ho Ahy.” Amena. Marina izany.205 Miresaka ny amin’ny Teny amin’ity andro ity aho, ary ny Ray no manamarina an’Izany. Ankehitriny tsy vavolombelona iray ho anareo ve izany? [Hoy ny fiangonana hoe, “Amena.”—Mpand.] Izany ilay izy, hitanareo. Izany no tsy maintsy hahatanterahany.206 Mariho ao amin’ny Korintiana Faharoa ankehitriny, ny…ao amin’ny Korintiana Faharoa, toko faha-3, ny andininy faha-6, ilay tempoly tranainy no nampiantrano an’Andriamanitra tao ambadik’ireo hoditra tranainy, niafina an’ireo Jiosy. Rehefa norovitina ilay voaly tranainy, ireo Jiosy dia mbola…nohajambaina ny amin’ny hoe Iza Izy, ary mbola Iza Izy. Ary avy eo dia ny Pentekosta no nanambara hoe Iza ilay Andriamanitra marina sy velona, rehefa notriarina roa ilay voaly, tamin’ny alàlan’Andriamanitra, avy any ambony. Nahoana no nanao an’izany io voaly io? Nahoana izy no nanao an’izany?207 Nahoana no tonga ny Hafatra iray tahaka an’izany amin’izao andro izao mba hanao an’izay efa Nataony? Nahoana no tonga Izany? Nahoana?208 Nisy olona iray saika hiantso ahy, indray andro teto vao tsy ela akory izay, te-hiady hevitra amiko mikasika an’ilay—ilay taonan’ny fiangonana, hoe, “Andriamanitra dia tao amin’ny Fiangonany masina,” sy ireo zavatra tahaka an’izany. Ary hitako fa vehivavy mpitory teny iray ilay izy, ary nohadinoiko fotsiny ny mikasika an’izany. Hitanareo, raha lehilahy anankiray izay te-ho marina ilay izy, dia ho zavatra hafa. Fa, noho izany, inona moa no ilana ny handeha lavitra ho any amin’ny firenen-kafa iray any, nefa tsy maintsy handao fivoriana iray eto aho hanaovana an’izany, hitanareo?

Page 43: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

NY FANEHOANA AN’ANDRIAMANITRA 43

Noho izany dia navelako hipetraka tsara fotsiny izy ireo. Ny jamba no mitarika ny jamba, izy ireo—izy ireo dia hianjera ao anatin’ny lavaka daholo.209 Noho izany, noho izany ankehitriny ao amin’ity taona ity, rehefa norovitina ilay voaly antitra ara-anaram-piangonana sy ara-fombafomba, teo amin’ny Tenin’Andriamanitra, mba hahatonga Azy ho voaseho! Hitanareo ve izay tiako lazaina? Ny fombafomba dia manao hoe, “Efa lasa ireo zavatra rehetra ireo.” Aoka hilentika kely Izany. “Efa lasa ireo zavatra.” Fa, amin’izao andro farany izao, dia norovitina nisaraka ilay voaly ara-fombafomba, ary mitsangana eto ilay Andry Afo. Hitanareo? Eto Izy, maneho ny Teny ho an’izao andro izao. Rovitra ilay voaly. Ankehitriny, ilay izao tontolo izao, dia mbola tsy mino an’Izany ihany izy ireo. Tsy mampaninona na inona ilay izy, tsy mahita an’Izany izy ireo. Tsy mahita an’Izany izy ireo. Tsy nalefa ho azy ireo Izany.210 Tsarovy, tsy voambara ho an’i Sodoma ilay Zanak’Andriamanitra; iraka anankiroa no voambara. Marina izany.211 Fa, ity, dia Andriamanitra Tenany tao anatin’ny nofon’olombelona no voambara tamin’i Abrahama, ilay Voafidy. Ary diniho izay Nataony hanambarana ny Tenany. Ary ankehitriny dia nahafantatra i Abrahama, rehefa Fantany izay tao amin’ny fisainan’i Saraha izay Taoriany, nilaza izy, niantso Azy hoe, “Elohima! Ny Mpanomponao…”212 Mariho ankehitriny, mba hahafahan’ilay izy ho voaseho. Ny Teny dia nanana voaly iray teo Aminy tamin’ireo taona rehetra ireo, teo amin’ny olona, “Tsy mety ho vita izany.”213 Tsaroanareo ve ny toriteny izay notoriako tamin’ilay maraina izay nialako teto voalohany, mikasika an’i Goliata sy Davida? Hoy aho hoe, “Jereo ilay mpihaika teo, milaza fa ‘efa lasa ireo andron’ny fahagagana.’” Diniho ireo horonam-peo rehefa mitohy izy ireo, diniho ny tsirairay avy, ahoana no mahatonga an’Izany miha-mazava sy miha-mazava foana; raha manana sofina hihainoana ianareo, hitanareo, maso hahitana. Inona? Hoy aho hoe, “Mitsangana eo ilay izao tontolo izao ara-pivavahana lehibe, miteny ao amin’izao taona siantifika izao, hoe tsy mety ho vita izany.” Fa hoy aho hoe, “Andriamanitra…” Tao anatin’ilay Hazavana, talohan’ny nakana sary Azy mihitsy, afa-tsy indray mandeha; tsy mbola azo sary mihitsy tamin’izany. Teo amin’ilay renirano tany izany; tsy mbola naka an’ilay sarin’Izany mihitsy izy ireo. Hitanareo? Hoy aho hoe, “Izy no niteny tamiko fa ho vita izany; Izy no hanao antso iray ary nitety an’ireo firenena izany.”

Page 44: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

44 NY TENY VOAMBARA

214 Ary na dia ny Dokotera Davis aza, dia nanao hoe, “Ianao, miaraka amin’ny grameran-tsekoly fanabeazana iray, vao nahavita ny kilasy fahafito, ve no hivavaka ho an’ny mpanjaka sy ireo mpanapaka, ary hanomboka fifohazana iray izay hitety an’ireo firenena?” Hoy aho hoe, “Izany no Nolazainy.”215 Ary vita izany. Hitanareo? Hitanareo, vita izany. Izay ilay zavatra amin’ilay izy, dia, tsy mila fandikana Izy. Izy no nanao an’ilay izy. Hitanareo, efa Vitany izany, izany no mandika ny tenany, hitanareo, miantso ny Voafidiny, hitanareo, avy ao—avy ao amin’ireo fiaraha-monina rehetra. Ankehitriny dia tonga voaseho izany.216 Nilaza aho fa nitsangana teo i Davida, zazalahy kely iray, bitika, kaozatra miaraka amin’ny lamosiny vokoka tanteraka, antsamotady iray no teny an-tànany. Ary, nahoana, nijery azy i Saoly, ny lohan’ilay fikambanan’ny mpitoriteny, nanao hoe, “Nahoana, ianao, ianao aza tsy niofana akory!” Hoy izy hoe, “Aleo ho hitako raha afaka manome anao Ph.D. iray aho na zavatra iray.” Napetrany teo aminy io fitaovam-piadiana io, izany…Hitany fa tsy mety amin’ny lehilahin’Andriamanitra iray izany.217 Hoy izy, “Esory amiko ilay zavatra.” Hoy izy, “Tsy mahafantatra na inona na inona mikasika an’io aho.” Hoy izy, “Aleo aho handeha amin’ny fanao izay fantatro, izay niadiako tamin’ilay liona, izay niadiako tamin’ilay bera.” Karazana olon’ny ala iray izy. Hoy izy hoe, “Aleo aho handeha amin’izany fanao izany.”218 Ary hoy io Goliata antitra io hoe, “Naniraka alika iray hiady amiko angaha ianareo?” Hoy izy, “Ho tsindroniko amin’ny tendron’ny lefoko ianao ary hahantoko eo ny fatinao ka havelako hohanin’ny vorona izany.”219 Hoy i Davida hoe, “Ianao manatona ahy amin’ny maha-Filistina iray, sy amin’ny fitaovam-piadiana iray ary lefona iray, fa izaho kosa manatona anao amin’ny Anaran’ny Tompo Andriamanitry ny Isiraely.” Diniho ilay mpaminany, Davida, nanao hoe, “Anio dia ho tapahako hiala eo amin’ny sorokao ny lohanao.” Amena! Oh, oadray! Fantany izay nananany, izay ninoany, ary resy lahatra tanteraka fa Izy dia mahay mihazona izay napetrany teo Aminy. Hitanareo? Noho izany dia nitranga izany na ahoana na ahoana.220 Ilay fiteny tranainy hoe, “Efa lasa ireo andron’ny fahagagana,” nirodana ireo rindrina! Mbola mitsangana miharihary Jehovah, maneho ny Teniny, ilay Anankiray voaseho. Marina izany. Mariho.221 Ilay fiangonana Jentilisa dia nohajambaina tamin’ilay voaly ihany koa, rehefa avy notriarina izany ka naneho

Page 45: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

NY FANEHOANA AN’ANDRIAMANITRA 45

an’Andriamanitra, ilay voaly ara-pivavahana. Ahoana? Tamin’ny nanaronana ny Teny tao anatin’ny nofon’olombelona indray. Izany tanteraka tokoa no tsy nahafahan’ny Isiraely nahita. Raha Anjely anankiray ilay izy na zavatra iray, dia ho nino an’Izany ny Isiraely. Saingy satria tsy nety ho Anjely iray ilay izy, tsy maintsy ho olona iray ilay izy. Amena!

Tsy afaka manimba ny Teniny Andriamanitra. Amin’ny andro farany dia tsy maintsy ho zavatra mitovy ihany indray izany. Hitanareo? Inona no nanajamba an’ny Isiraely? Io Lehilahy io. “Ianao dia Lehilahy iray manao ny Tenanao ho Andriamanitra.” Izany no antony namonoan’izy ireo Azy, ary, amin’izao andro izao, satria mivoaka avy amin’ny olona ilay Hafatra fa tsy Anjely. Hitanareo? Tsy afaka manova ny Fanaony Andriamanitra, manova ny Teniny. Izy no nilaza fa tsy niova Izy. Hitanareo? Mariho, nampanantenaina! Ary ireo Jentilisa dia tena jamba amin’izao andro izao tahaka ny Isiraely, noho ny (inona?) ilay voaly. Andriamanitra voasarona tao anatin’ny vatan’olombelona iray, nanajamba ny Isiraely.

Mariho, nanajamba anankiray hatrany. Anankiray, hanajamba Izany; ilay iray hafa, hanambara ny Fahamarinana Izany. Hanidy ny mason’ny anankiray Izany, ary hanokatra ny mason’ilay iray hafa.222 Jereo, nitsangana Jesosy ary nanao hoe, “Eny, ny anaranao dia—dia—dia Simona, ary ny anaran’ny rainao dia Jonasy.”

Hoy izy hoe, “Tompo Andriamanitra!” Hitanareo? Filipo…

Hoy izy hoe, “Oviana no Nahafantaranao?”

Hoy Izy hoe, “Indro ny Isiraelita iray, izay tsy misy fitaka!”

Dia hoy izy hoe, “Raby, oviana no Nahafantaranao ahy?”223 Hoy Izy hoe, “Talohan’ny niantsoan’i Filipo anao, raha teo ambanin’ny hazo ianao, dia efa nahita anao Aho.”224 Hoy izy hoe, “Raby, Ianao no Zanak’Andriamanitra. Ianao no Mpanjakan’ny Isiraely.”225 Eny, nitsangana teo ireo, nanao hoe, “Belzeboba Izy.” Hitanareo? Inona no nataon’Izany? Nanokatra ny mason’ny anankiray, nanajamba an’ilay iray hafa. Inona no nolazain’ireo mpisorona? “Nahoana, Belzeboba io Zalahy io!”226 Hoy ilay vehivavy kely hoe, “Fantatro fa ho tonga ny Mesia, izay antsoina hoe ilay Anankiray Voahosotra. Hitanareo, ho avy ilay Anankiray Voahosotra. Izahay tsy nanana mpaminany…Tsy maintsy ho mpaminany iray Ianao. Saingy ho avy ilay Anankiray Voahosotra. Miandry Azy izahay. Izao no andro farany ho an’ireo Jentilisa…na ho an’ireo Jiosy.” Hoy izy, “Izao no andro farany.” Hitanareo, ny Samaritana sy ny Jiosy dia samy niandry Mesia iray.

Page 46: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

46 NY TENY VOAMBARA

Hitanareo? Hoy izy, “Izao no andro Hisehoany. Fantatray, rehefa tonga Izy, dia Izy no hanao an’ireo zavatra ireo. Izy no hilaza aminay an’ireo zavatra ireo.”

Hoy Izy hoe, “Izaho no Izy.”

Nosokafana ny masony; ilay polisy, ireo mpisorona dia nohajambaina.

227 Izany foana no ataon’ny Filazantsara. Manokatra ny mason’ny sasany Izy, manambara ny Fahamarinana amin’ny sasany, nefa manajamba an’ireo hafa Izany; manana dikany anankiroa. Ny sasany mandray an’ilay Zanaka ary mijery an’Izany avy hatrany, dia lasa jamba; ireo hafa mandray an’Izany dia mandeha miaraka an’Izany. Izany ilay fahasamihafana.

228 Tahaka ny nataony tao amin’ny taona rehetra, ilay maha-Andriamanitra dia voasarona tao anatin’ny nofon’olombelona. Mariho, voasarona Izy. Ireo mpaminany no maha-Andriamanitra, voasarona. Izy ireo no Tenin’Andriamanitra (marina ve izany?) voasarona tao anatin’ny nofon’olombelona. Noho izany, dia tsy voamarik’izy ireo mihitsy koa ilay Mosesintsika, hitanareo, Jesosy.

229 Mariho ilay voasarona tao ambadik’ireo hodi-takasy tranainy tao amin’ilay tempoly tranainy, dia ny Teny, dia ny Teny voaseho teo amin’ny vato fisaka.

230 Ankehitriny, hiezaka aho ny hiala ao anatin’ny roapolo minitra eo ho eo ankehitriny, raha vitako, hamita an’ilay izy amin’ny iraika ambin’ny folo sy sasany. Mariho, raha voamarikareo, mamadika pejy vitsivitsy aho eto, hitanareo, hialàna amin’ny…mba tsy hanapahako an’ilay…hanao an’ilay izy ho lava loatra. Fantatro fa mafana ianareo, reraka.

231 Tao ambadik’ilay tempoly tranainy, tao anatin’ilay voaly, inona no tao ambadika tao? Inona Jehovah? Inona no nafenina tao ambadika tao? Inona no nafenin’ilay voaly? Oh, haleloia! Inona no nafenin’ilay voaly? Nanafina ny Teny izany. Ilay voaly, ireo hodi-takasy tranainy, dia voaafina, nanafina ny Teny tamin’ny mason’izy ireo, ara-nofo. Tao ambadika tao, ihany koa, dia nisy an’ilay mofo aseho. Tao ambadika tao, ihany koa, dia nisy ny Voninahitr’i Shekinah. Saingy voaafina tamin’izy ireo Izany rehetra izany. Voaafina Izany rehetra izany. Ny Voninahitr’Andriamanitra rehetra dia tena tao ambadik’io hodi-takasy tranainy io mihitsy, marina izany, ny rehetra dia niafina tamin’ilay maso ara-nofo.

232 Izany Izy amin’izao andro izao, ihany koa. Izany dia antsoina hoe “andiana holy rollers iray, fanatika,” saingy tsy fantatr’izy ireo izay miafina ao ambadika ao. Izany no tsy fantatr’izy ireo. Hitanareo?

Page 47: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

NY FANEHOANA AN’ANDRIAMANITRA 47

233 Noho izany rehefa Andriamanitra, tao amin’ny famindrampo, no nandrovitra an’ilay voaly mba hahitan’izy ireo, dia voarakotra loatra tao anatin’ny fombafombany izy ireo hany izy ireo ka…mbola miafina amin’izy ireo foana izany, na dia amin’izao andro izao aza.234 Mitovy ankehitriny! Ilay Voninahitra, ilay Herin’ny Fanahy Masina, ilay Voninahitr’i Shekinah izay tonga eo amin’ny mpino, ankehitriny ilay tena mpino no tiako lazaina, izay mamokatra an’ireo asan’Andriamanitra sy ny finoana hiditra ao aminy, mba hino ny Tenin’Andriamanitra, izany rehetra izany dia miafina amin’ny mason’izy ireo. Hoy izy ireo hoe, “Ireo zavatra ireo dia efa lasa.” Hitanareo, mbola miaina ao ambadik’ilay voaly foana izy ireo. Tsy ao ambadik’io voaly io intsony ianareo, Rankizy madinika, tonga miharihary aminareo Andriamanitra.235 Indray andro, Rahalahy Fred Sothmann, Rahalahy Tom Simpson…Tsy fantatro raha mba tonga eto izy na tsia. Maro taminay no tao amin’ny fiangonana Batista iray, ary niteny zavatra anankiray izay ohatry ny tena tsara ilay mpitoriteny. Izahay rehetra dia nanao hoe, “Amena!” Ny olona rehetra tao amin’ilay fiangonana dia samy nanenjana ny tendany ka nijery tany aoriana. Hitanareo? Hitanareo? Nahita potipotiny iray avy tao ambadik’ilay Shekinah tao izahay, fantatrareo, ary faly kely izahay nahazo an’ilay izy. Niteny izahay, tamin’ny teny hafa hoe, “Misaotra Anao, Tompo!” Hitanareo? Ary, rehefa nanao an’izany izy ireo, ireo olona ireo dia tena voasarona loatra hany ka nihomehezany fotsiny izany. Tsy fantatr’izy ireo hoe inona daholo ny mikasika an’Izany. Hitanareo? Mbola voasarona foana izy ireo. Noho izany, dia misy ny sasany ao anatiny ary ny sasany any ivelany. Ary noho izany…Saingy Andriamanitra dia miharihary amintsika, miafina. Mitovy ankehitriny!236 Noho izany rehefa Andriamanitra, ao amin’ny Famindrampony, no nandrovitra an’ilay voaly, dia natao miharihary Izy. Saingy, voarakotra loatra ao anatin’ny fombafombany izy ireo, hany ka mbola miafina amin’izy ireo foana Izy. Mitovy ankehitriny! Io Voninahitra rehetra io, miafina, dia nafenina ho antsika ao amin’i Kristy, ny Teny, Izay ny Tempolintsika.237 Oh, ankehitriny, tsy maintsy hangady kely ao amin’izany aho. Mamelà ahy ny amin’ny fientanam-poko izao maraina izao, fa, oh, izaho dia—izaho dia naniry hizara an’izao hatry ny ela, izaho…mirehitra ato anatiko fotsiny izany. Hitanareo?238 Mariho, ny Voninahitra rehetra izay ao amin’Andriamanitra dia ao anatin’ny Teny. Ireo fitahiana rehetra izay ao amin’Andriamanitra dia ao anatin’ny Teny.

Page 48: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

48 NY TENY VOAMBARA

Miafina izany, ho an’ilay tsy mpino, noho ireo fombafomba. Hitanareo ve izay tiako ho lazaina? Fa Izany rehetra izany dia ao amin’i Kristy. Izay rehetra naha-Andriamanitra, dia nanafoana ny Tenany Izy, “kenos,” ary niditra tao amin’i Kristy; ary isika, ao amin’i Kristy, dia ao ambadik’ilay voaly.239 “Eny, ao amin’i Kristy aho,” hoy ianareo. Nefa avy eo ve dia mino fa misy Andriamanitra telo? Manao batisa amin’ny anaran’ny “Ray, Zanaka, ary Fanahy Masina”? Mino an’ireo fombafomba rehetra ireo sy ireo zavatra izay inoanareo, ireo loholona? Tsia, mbola ao ambadik’ilay voaly foana ianareo. Hitanareo? Midira ao anatin’ilay voaly. Izy, Kristy, no Teny.240 “Ahoana? Izaho tsy mino ny fanasitranana avy amin’Andriamanitra. Izaho tsy mino an’ireo fahagagana sy ny sisa tahaka an’Izany.”241 Eny, hitanareo, ianareo—ianareo tsy ao, ao anatin’ilay voaly. Tsy mahafantatra na inona na inona mikasika an’Izany ianareo. Hitanareo? Kristy no Teny! Ary rehefa ao anatin’ny Teny isika, dia ao amin’i Kristy isika. Ary ahoana no hahafahako ho ao amin’i Kristy, nefa mandà an’i Kristy? Izy no nilaza hoe, “Tsy misy teny anankiray hampiana na hesorina.” Ahoana no hahafahanareo manaisotra na manampy, raha izany? Hitanareo, izany no maneho aminareo hoe voaly inona no manarona anareo. Hitanareo?242 Ao Aminy isika! Avy eo isika, satria ao Aminy, dia mbola voasarona foana isika amin’ireo mpivavaka sy mpampianatr’izao tontolo izao. Hitanareo, ny Voninahitsika izay ananantsika sy ifaliantsika, dia mbola voasarona foana isika amin’ireo any ivelany. Mihevitra izy ireo fa isika dia “adala, adaladala iray,” indray. Hitanareo? Hitanareo? Marina izany. Fa isika izay ato anatiny ato, ao amin’i Kristy, natao batisa tao Aminy, (Korintiana Voalohany 12), niditra tao Aminy, dia mpandray anjara amin’io Voninahitra io isika. Hitanareo? Fa tsy any amin’ilay ivelany; mbola mijery ny ao anatiny foana ianareo, mandà an’Izany. Hitanareo?243 Koa ankehitriny dia nasaina isika hiditra ao Aminy, mba ho mpandray anjara amin’izay rehetra maha-izy Azy. Nasaina isika hiditra ao Aminy, izay miafina amin’ireo tsy mpino, amin’ny alàlan’ny voalin’ny nofon’olombelona. Hitanareo? Fantatr’izy ireo io Voninahitra io, mamaky an’Izany izy ireo, ato amin’ny Teny ato Izany, “ny Voninahitr’Andriamanitra” sy ny sisa tahaka an’izany, teny iray fotsiny izany ho azy ireo. Ho antsika, dia fanehoana iray izany! Hitanareo? Tsy teny iray intsony izany; zava-misy iray izany! Amena!244 Hoy Andriamanitra, “Aoka hisy mazava,” izany ilay teny. Fa ankehitriny dia misy mazava. Tsy ny teny izany; ilay hazavana izany. Hitanareo ve izay tiako lazaina?

Page 49: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

NY FANEHOANA AN’ANDRIAMANITRA 49

245 Ankehitriny dia tsy Teny iray voasoratra fotsiny izany ho antsika, zava-misy iray izany. Ao Aminy isika. Ankehitriny dia mifaly isika. Ankehitriny mandinika Azy isika. Ankehitriny mahita Azy isika, ny Teny, maneho ny Tenany. Miafina Izany, any ivelany, satria (nahoana?) voasarona tao anatin’ny nofon’olombelona Izany. Hitanareo?246 Oh, hoy izy ireo hoe, “Io andian’olona io, taiza izy ireo no nandeha nianatra? Inona—inona no fianarana ananan’izy ireo? Taiza, avy—avy taiza izy ireo? Inona—inona—inona no vondrona ikambanan’izy ireo?” Hitanareo? Hah! Hitanareo, tsy azon’izy ireo Izany.247 Lehilahy iray no niteny tamin’ny lehilahy hafa iray, indray andro, nanao hoe, “Tsy maintsy mikambana amin’ny anaram-piangonana iray ianao mba ho Kristiana iray.”248 Hoy izy hoe, “Kristiana iray aho; izaho tsy mikambana amin’ny iray amin’izy ireo.” Ah-hah. Hoy izy, “Andriamanitra no nanala an’io homamiadana io tamiko,” hoy izy, “ankehitriny inona no hevitrao amin’izany?” Dokotera iray izany. Hoy izy hoe, “Asehoy ahy izay anaram-piangonana manao an’izany.” Hitanareo? Eny àry. Hitanareo? Mbola voasarona ilay izy.249 Ao anatin’i Kristy isika. Ankehitriny, tahaka ny tamin’izany, ireo tena mpino rehetra no mahita Azy, ilay Teny fikasana an’izao andro izao, voaseho miharihary. Teny lehibe iray izany raha afaka mahazo an’izany ianareo. Hitanareo? Hitanareo? Ireo tena mpino rehetra, izay ao amin’ny Teny, no mahita an’Andriamanitra miharihary. Rovitra ilay voaly, ary mitsangana mazava eo anatrehanareo Andriamanitra, voaseho. Hitanareo? Andriamanitra, voaseho, miharihary.250 Mba hanaovana an’izany, dia tsy maintsy rovitina indray ilay voaly ara-fombafomban’ny anaram-piangonantsika. Mba tena hahitana marina hoe inona Izany, dia tsy maintsy mivoaka avy eo anivon’io karazan-javatra io ianareo. Hitanareo? Tsy hanao an’izany mihitsy ianareo; hanohy hisintona an’io voaly io eo anatrehanareo izy ireo, isan’andro, “Oh, tsy misy na inona na inona amin’Izany.” Fa eto dia voasoratra Izany, ary voaseho eto Izany, hitanareo. Hitanareo?251 Ankehitriny, ahoana moa raha olona iray no mandà ny hijery ny masoandro, manao hoe, “Oh, eo, fantatro fa Andriamanitra no niteny hoe, ‘Aoka hisy mazava,’ saingy tsy misy izany zavatra izany. Handeha hidina any ambany rihana aho. Izaho—izaho dia handà ny hijery an’izany fotsiny”? Adala ilay zalahy. Misy zavatra tsy mety ao aminy.252 Misy zavatra tsy mety amin’ny lehilahy na vehivavy iray, izay afaka mahita ny teny fikasan’Andriamanitra ary,

Page 50: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

50 NY TENY VOAMBARA

mahita an’Izany voaseho, nefa avy eo dia mandà ny hino an’Izany satria misintona ny voaly ilay anaram-piangonana. Hitanareo, voasarona!253 Mba hanaovana an’izany, dia tsy maintsy potehina ireo voaly ara-fombafomban’ny anaram-piangonantsika, amin’ny alàlan’ny Fanahin’Andriamanitra Afo sy Sabatra, dia ny Teniny. Isan’andro dia ny Teniny no Sabany. Hitanareo? Ary Noraisiny ny Sabany tamin’io andro io, feno Afo, ary norovitiny io voaly io avy any ambony nankany ambany. Mbola manao an’ilay zavatra mitovy amin’ilay Sabatra iray ihany Izy amin’izao andro izao! Tsy hoe “ny fanekem-pinoako, ireo bokin’ny fanekem-pinoako, ny—ny katesiziko.” Fa ny Sabatry ny Tompo, hitanareo, no mandrovitra an’ilay voaly, ary mahita an’Andriamanitra miharihary ianareo, voaseho ao amin’ny Teniny. Fampisehoana lehibe iray ho jerena toy ny ahoana! Hitanareo? Eny àry. Fanahy Masin’Andriamanitra sy Afo, ny Sabany, no mandrovitra an’izany. Ny Teny no mandrovitra an’ilay voalin’anaram-piangonana.254 Eny, raha miteny fotsiny ianareo hoe, “ny Teny,” nefa tsy miasa ilay Teny? Inona no soa hananana an’ilay Sabatra eto, ka hilaza hoe, “Tsy mety mandrovitra izy”? Manao hoe, “Ah,” nefa tsy maharovitra ilay izy?255 Fa rehefa apetrakareo eo ambony eo io Sabatr’Andriamanitra io ka mandinika azy mandrovitra, izy dia—izy dia tazonin’ny tànana voatendry iray nirahina hanao an’izany. Hitanareo, mandrovitra an’ilay izy hisokatra, ary io eo io Izy. Eo no anehoany an’Andriamanitra miharihary, ilay Jehovah lehibe. Izany no Teniny tonga voaseho, ilay ampahany izay nampanantenaina ho an’ilay andro. Azonareo ve ilay Izy? Hitanareo? Rehefa ilay Sabatra, ilay teny fikasana ho an’izao andro izao, ao amin’ity andro ity, izay natao ho an’izany, ka mandray ny Sabany Andriamanitra ary mandrovitra an’ilay voalin’anaram-piangonana ka misintona azy, ary maneho ny Tenany sy mampiseho fa eo Izy, mbola ilay Andry Afo iray ihany. Mariho, izany no Teny tonga voaseho ho an’ireo teny fikasan’izao andro izao.256 Mahita Azy isika tahaka an’i Petera rehefa nilaza izy hoe, “Tompo, ho any amin’iza moa izahay, rehefa avy nahita an’Ity?” Ho aiza isika? Fiangonana inona no azontsika hikambanana, rehefa teraka tao amin’ny Anankiray isika? Hitanareo? Inona no azonareo…Anaram-piangonana inona no azonareo hikambanana rehefa avy nahafantatra an’ireto Fahamarinana ireto ianareo, hitanareo, nefa izy ireo (ny tsirairay avy) dia mandà an’Izany? Ny tsirairay avy amin’izy ireo! Tsy manana anankiray aho izay hiteny na hanao zavatra iray ho an’Izany. Marina. Marina izany.257 Nanomboka an’ireo dia aho teto, izay fiangonana roa amby efapolo no mpanohana tao amin’ny toerana anankiray;

Page 51: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

NY FANEHOANA AN’ANDRIAMANITRA 51

rehefa tonga tany aho, dia tsy nanana aho na iray aza. Ny tsirairay avy tamin’izy ireo dia nanao hoe, “Mino ny fiarovana Mandrakizay izy.” Izany no nampivoaka an’ireo mpanaraka lalàna. Ny anankiray nanao hoe, “Manao batisa amin’ny Anaran’i Jesosy izy.” Izany no nampivoaka ny sisa rehetra tamin’izy ireo, hitanareo. Ny anankiray tamin’izy ireo nanao hoe, “Mino ny taranaky ny menarana izy. Tsy manana taranaka ny menarana!” Izany no nanao…258 Hoy ny Baiboly hoe, “Hampifandrafiako ny Taranany sy ny taranaky ny menarana.” Hitanareo ve izany?259 Izany, ny—ny voaly, dia nesorina teo amin’ilay Teny. Hitanareo? Marina izany. Voambara tamin’ireo zaza madinika izany. Izany dia—izany dia nesorina. Izy ireo no mahita an’Izany. Ary ho izany, tahaka ny voalaza indray mandeha…Marina izany. Amin’izay fotoana izay dia ho izany izy, tahaka ny voalaza indray mandeha hoe, “Rehefa mahita ianareo,” rehefa esorina miala amin’ny Teny io voaly io, esorina miala amin’ny Teny ireo fombafomba, tahaka ny nolazain’i Jesosy indray mandeha hoe, “rehefa mahita Ahy ianareo, dia mahita ny Ray ianareo.” Hitanareo? Andriamanitra sy ny Teniny dia iray ihany. Ankehitriny azonareo ve? Rehefa voaseho ny Teny, dia inona Izany? Hitanareo?260 Hoy Jesosy hoe, “Diniho ny Soratra, ianareo dia mihevitra fa ianareo dia manana ny M-…Nino an’Andriamanitra ianareo, dia minoa Ahy koa. Raha tsy manao an’ireo asan’ny Raiko Aho, dia aza mino Ahy. Fa raha manao an’ireo asa Aho, Izaho sy ny Raiko dia iray ihany. Rehefa mahita Ahy ianareo, dia nahita ny Ray ianareo.”261 Ary rehefa mahita ny Teny voaseho ianareo, dia mahita ny Ray ianareo, Andriamanitra, satria ny Teny dia ny Ray. Ny Teny dia Andriamanitra. Ary ny Teny, tonga voaseho, dia Andriamanitra Tenany izay mandray ny Teniny Manokana ka maneho an’Izany eo anivon’ireo mpino. Tsy misy afaka manao Azy ho velona afa-tsy ireo mpino ihany, ireo mpino fotsiny ihany. Izany dia tsy…Izany tsy ho…262 Afaka maka vary ianareo ary mamboly azy ao amin’ny—ao amin’ny—ny karazan-tany hafa, tsy hamoa mihitsy izany. Fa, inona, tsy maintsy manana zezika iray izany ao anatin’ilay tany mba hampitsimoka vary. Ary raha tsy misy—raha tsy…raha ilay zezika ao anatin’ilay tany no tsy—no tsy, tsy lonaka ho an’io zezika io ilay vary, dia tsy hamoa mihitsy izy. Noho izany dia tsy mampaninona izay ilatsahan’ny Teny, raha tsy milatsaka ao amin’ilay karazam-po iray tsara Izany…263 Jesosy no niteny an’izany. “Ny sasany nilatsaka teny amoron-dàlana, teny amin’ny tany be vato, ary tonga ireo vorona teny amin’ny habakabaka ka nihinana azy.” Ary avy eo dia hoy Izy hoe, “Ny sasany nilatsaka tao amin’ny tsilo sy

Page 52: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

52 NY TENY VOAMBARA

songosongo, izay nitombo ary nangeja azy,” ireo fombafomba, ireo anaram-piangonana, ireo fiahiana an’izao tontolo izao no nangeja Azy. Saingy hoy Izy, “Ny sasany dia nilatsaka tao amin’ny tany tsara ary namoa avo zato heny,” hoy Izy, “izany ny Fanjakan’Andriamanitra.”

Izany ilay zavatra mitovy, hitanareo, ny sasany tsy hino mihitsy.264 Ny sasany hino vetivety, tahaka an’ireo mpianatra. Nanaraka Azy izy ireo, ny maro tamin’izy ireo, ireo fitopolo dia nanaraka Azy nandritry ny taona maro, mba hahita; teo amin’ny herintaona sy tapany teo, na roa taona; mba hahita fotsiny, mandra-pahitan’izy ireo zavatra tao Aminy, karazana…toy ny fomba izay Nananany fahefana iray hanaovana an’ireo zavatra ireo, na toy ny tongo-bitro iray, karazana mpanao majika iray, izay Azony natao mba hamokatra an’ireo zavatra ireo, ahoana no Nahafahany nahafantatra an’izay tao anatin’ny fon’ny olona sy izay noheverin’izy ireo. Ary farany dia hitan’izy ireo fa Izy no nilaza hoe Izy “dia nidina avy any An-danitra,” Izy “no Teny Izy tenany.” Ary rehefa nanao an’izany izy ireo, dia mafy loatra tamin’izy ireo izany. Hoy izy ireo hoe, “Tsy misy olona afaka mahazo an’Izany.” Dia nanalavitra Azy izy ireo. Izany ireo izay nilatsaka teo amin’ireo tsilo.265 Miverina amin’ilay zavatra iray ihany izany, ao amin’ny fiangonana rehetra, manana an’ireo mody mpino ianareo, ireo tsy mpino, ary ireo mpino. Tao amin’ny fiangonana tsirairay izany. Mahita azy ireo foana ianareo. Ny sasany amin’izy ireo mody manao tahaka ny hoe mpino izy ireo, izany ilay karazana ratsy indrindra. Ary avy eo izy ireo dia nanana an’ireo izay tena tsy mpino tokoa; tsy hanelingelina anareo izy, hanalavitra fotsiny izy ary hanifikifika ny lohany. Fa ireo izay mody mino, milaza fa mpino izy ireo, izany ilay karazana, izany ilay karazana izay tsy maintsy tandremanareo, dia ireo mody mpino. Ary avy eo dia misy ireo mpino tena izy. Hitanareo ve ireo telo eo ireo?266 Nisy ireo tsy mpino. Vantany vao nilaza Izy hoe, “Mihinana ny Nofon’ny Zanak’olona,” oh, rey olona, izay ilay izy!267 Ireo hafa dia mody mpino. Nipetraka tsara izy ireo, tahaka ny nataon’i Jodasy, hatrany amin’ny farany mihitsy.268 Fa avy eo ireo tena mpino, tsy afaka nanazava an’Izany izy ireo, saingy nino an’Izany izy ireo, na ahoana na ahoana. Nanohy hatrany izy ireo.269 Ilay voaly, fombafomban’ireo tsy mpino, nendahina, dia mahita an’Andriamanitra ianareo. Rehefa nesorina ilay voalin’ireo fombafomba, dia afaka mahita ianareo

Page 53: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

NY FANEHOANA AN’ANDRIAMANITRA 53

fa Andriamanitra dia mbola Andriamanitry ny Teniny foana. Mbola mihazona ny Teniny foana Izy. Izy no—Izy no Andriamanitra, Mpanoratra ny Teniny.

Izany dia miafina ao ambadik’ireo voaly hoditra, ho an’ny hafa. Eny, marina izany. Ho an’ireo izay tsy afaka mandeha ao ambadik’ilay voaly, dia mbola ao ambadik’ireo voaly hoditra foana Izy.270 Mariho. Amin’izay fotoana izay, isika, amin’izay fotoana izay isika dia lasa Ampahany, satria ianareo no voaly izay manarona Azy. Ampahany ianareo, raha mbola ao anatinareo foana i Kristy, satria Kristy dia avy tamin’Andriamanitra. Satria Andriamanitra no tao Aminy, nanao Azy ho Andriamanitra. Ary satria ao anatinareo Kristy, ilay fanantenan’ny Voninahitra, dia lasa ampahan’i Kristy ianareo. “Izay mino Ahy, ireo asa izay Ataoko no hataony koa.” Hitanareo? Lasa ampahan’i Kristy ianareo raha mbola miafina ao anatinareo foana i Kristy. Amin’izay fotoana izay dia voasarona amin’ireo tsy mpino izany, fa ianareo kosa dia mahafantatra fa ao anatinareo Izy. Ianareo no tempolin’i Kristy izay ao ambadik’ilay voaly, ilay hoditra. Amin’izay fotoana izay isika, satr-…Ao ambadika, noho io voaly io, ilay voaly ao amin’ny nofon’olombelona indray, no manafina an’Andriamanitra (ny Teny) amin’ilay tsy mpino.271 Araka ny voasoratra, hitanareo, “Voasoratra, ianareo no epistily voasoratra,” hoy ny Baiboly. Ankehitriny, inona ny epistily? Izany dia “teny voasoratra.” Ary ianareo no “voasoratra.” Amin’ny teny hafa, dia toy izao no hamakianareo Azy, “Ianareo,” hoy Izany, “ianareo no epistily voasoratra,” na, “ianareo no Teny, izay nosoratana, tonga voaseho,” tsy misy na inona na inona azo ampiana amin’Izany. Tsy afaka miteny ianareo hoe, “Izaho dia epistily iray voasoratra,” nefa miaina amin’ny karazan-javatra hafa ankoatra an’Ity efa nosoratana ity, [Nikapokapoka ny Baiboliny Rahalahy Branham—Mpand.] satria tsy misy na inona na inona azo ampiana na esorina.272 Tahaka ny Dokotera Lee Vayle izay eo am-panoratana an’io boky malaza io, tiako hahita an’izany ianareo afaka kelikely. Eto Rahalahy Vayle, any an-tokontany any ho any izy. Nahita azy aho tao ivelany tao. Tsy mihevitra aho fa afaka niditra izy. Fa eo am-panoratana boky iray izy any, ary—ary tena mahavariana izany, ny amin’ny Taona Laodikiana. Ary tiako ianareo…Hivoaka tsy ho ela izany. Noho izany, dia manao an’ilay famakiana farany an’izany izahay ankehitriny. Ary nanoratra, ka miresaka ny amin’Izany ao izahay, hitanareo, mikasika…273 Tonga manatona ahy foana ny olona rehetra, manao hoe, “Rahalahy Branham, ireo kotrokorana fito izay nisy

Page 54: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

54 NY TENY VOAMBARA

feo nikotroka, ka hoy Izy hoe, ‘Aza soratana Izany, hitanao, fa ahoròny Izany,’” hoy izy ireo, “izany ve ireo kotrokorana fito izay ho voambara amin’ny andro farany, hitanareo, ireo kotrokorana fito izay hiteny amintsika?” Ankehitriny, tsy ohatry ny tena mety tsara tokoa ve izany? Hitanareo? Saingy diniho izay resahinareo mikasika an’izany rehefa miteny an’izany ianareo.

Hoy Izy hoe, “Jereo mba tsy ho soratanao Izany.” Hitanareo? Ireo kotrokorana fito ireo dia nampandre ny feony, hitanareo, ary hoy Izy hoe, “Aza soratana izany, hitanao, fa tsy maintsy hasiana tombokase Izany ao amin’ilay Boky mandra-pahatongan’ny andro farany.”274 Ankehitriny nisy olona iray efa, maro no efa niteny tamiko, sy ireo teolojiana nanao hoe, “Rahalahy Branham, raha ny Tompo Andriamanitra…” Nanao hoe, “Raha—raha…Miaraka amin’ny fahatsapanao, hoe ny Tompo no nanome anao ho an’ny Olony,” am-panetre-tena no ilazako an’izao, hoy izy ireo, “ianao dia mety hahavita manoratra ny—ny Baiboly iray samirery, ny Teninao, raha Andriamanitra no naneho.”275 Hoy aho hoe “Mety ho marina izany.” Hitanareo, nanandrana hamandrika ahy izy. Hitanareo? Dia hoy aho hoe, “Saingy, hitanao, tsy afaka hanao an’izany aho.”

Hoy izy hoe, “Nahoana no tsy afaka ianao? Manana ny fahalalana rehetra ianao.”276 Hoy aho hoe, “Saingy, jereonao, tsy misy teny iray azo ampiana na esorina.” Hitanareo?277 Dia hoy izy hoe, “Eny, noho izany, ireo kotrokorana fito ireo, hitanao,” hoy izy, “tsy ireo kotrokorana izay hipoaka ireo ve, tsy ho Fanambarana iray izay homena olona iray ve izany?”278 Hoy aho hoe, “Tsia, tompoko, izany dia ho manampy zavatra amin’Izany na manaisotra Zavatra amin’Izany.”279 Izany dia efa voambara daholo Ato, ary ireo Tombokase Fito no nanokatra ny fanambarana ny amin’ny hoe inona Izany. Izany ilay izy. Hitanareo, mbola ao anatin’ny Teny foana izany. Hitanareo, tsy afaka miala amin’ity Teny ity ianareo. Tsy hiala amin’ny Teny izany. Ary tsy hiala mihitsy amin’ity Teny ity ny Fanahin’Andriamanitra. Hijanona tanteraka amin’ny Teny Izany; manajamba ny sasany, ary manokatra ny mason’ny hafa. Hanao an’izany foana Izy.280 “Ianareo no epistily voasoratra, vakian’ny olona rehetra.” Na, ianareo no…Adikako Izany, avadiko ho tahaka an’izao, hitanareo, avadiko fotsiny Izany hoe, “Ianareo no epistily izay nosoratana,” satria tsy afaka manampy na inona na inona amin’Izany ianareo, “izay vakian’ny olona rehetra; Tenin’Andriamanitra voaseho,” amin’ny teny hafa.

Page 55: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

NY FANEHOANA AN’ANDRIAMANITRA 55

Ary Petera sy Jaona, mba haneho an’izany, rehefa niakatra tany izy ireo, dia hitan’izy ireo fa tsy manam-pahalalana sy tsy nianatra izy ireo, tsy nanana fianarana izy ireo, saingy voatsikaritr’izy ireo kosa fa efa niaraka tamin’i Jesosy izy ireo. Hitanareo? Tsy manam-pahalalana sy tsy nianatra izy ireo, saingy epistily voasoratra kosa izy ireo, hitanareo, vakiana hoe efa niaraka tamin’i Jesosy izy ireo. Satria, naneho ny Tenany tamin’ny alàlan’izy ireo Jesosy, Kristy voasarona tao anatin’ny nofon’izy ireo; voaseho, novelombelomina.281 Tahaka Azy tao amin’i Mosesy. Rehefa tao amin’i Mosesy ny Teny, dia Andriamanitra tao amin’ny nofo izy. Rehefa tao amin’i Jesosy Izany, dia Andriamanitra tao amin’ny nofo Izany. Hitanareo? Ny zavatra tokana Nataony dia ny nanova ny Saron-tavany, fa tsy ny Teniny, tsy ny Natiorany. Izy no tsy miova omaly, anio, ary mandrakizay. Nanova ny Endriny fotsiny Izy. Niova avy tamin’i Noa nankao amin’i Mosesy Izy; niova avy tamin’i Mosesy nankao amin’i Davida Izy; avy tamin’i Davida, Josefa; nitohy mandra-Pahatongany tao amin’ny fahafenoan’ny maha-Andriamanitra ara-batana. Hitanareo?282 Mbola ilay Andriamanitra iray ihany izany! Amena. Amena. Manantena aho fa miditra tsara izany. Hitanareo? Izany dia ilay Andriamanitra iray ihany, saingy naka voaly iray hafa fotsiny Izy. Hitanareo, nanao voaly iray hafa Izy.283 Nataony izany tao amin’ireo mpanavao, naka voaly iray, naka voaly iray. Hany ka, tamin’ny farany, dia nandalo tao amin’ny taona Loterana Izany, nandalo tamin’ny taona hafa, avy eo tamin’ny farany dia niditra tao amin’ilay Feno Izany. Talohan’ny Nahatongavany mihitsy, dia nipoitra indray ny mpaminany iray. Inona no nataon’izany, manao aloka mialoha an’ilay Teny izany, maneho ny teto aoriana teto, manambara an’izay efa vita, izay navela, mba hahatonga an’ilay Fiangonana tsy hanana…tsy hanana tsi-fahazoana. Avy eo rehefa nihalevona izany, tamin’izay fotoana izay, tahaka ny nolazain’i Jaona hoe, “Izaho tsy maintsy mihena, Izy tsy maintsy mitombo,” amin’izay fotoana izay dia tonga tao Aminy ilay rehetra amin’ny rehetra. Voaseho manontolo Izy, tao amin’i Luther, Wesley, ary ny taona Pentekotista, ary nitohy, nitohy, voaseho manontolo Izy, hitanareo, nidina, ilay fanehoana mihitsy, Andriamanitra manokatra: Jereo Izy (Ankehitriny, mariho.) tanteraka ao amin’ireo Fampanantenany ho an’ity andro ity, tahaka ny efa naha-izy azy ireo.284 Ankehitriny dia i Mosesy no Teny tamin’izany andro izany, satria nomena azy ny Teny tamin’izany andro izany; Mosesy. Josefa no Teny tamin’ireo androny, naneho ny sarin’i Kristy tanteraka. Hitanareo, ny tsirairay avy tamin’izy ireo dia ny Teny.285 Ary rehefa tonga Jesosy, dia Izy no Teny tao amin’ny Fahafenoany, satria ny drafitry ny fanavotana manontolo dia

Page 56: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

56 NY TENY VOAMBARA

nitoetra tao Aminy. Tsy nitoetra tao amin’i Mosesy ny drafitry ny fanavotana manontolo, tsy nitoetra tao amin’i Josefa, tsy nitoetra tao amin’i Elia. Hitanareo, ampahan’ilay Teny fotsiny ihany izy ireo, nanondro an’Izany. Hitanareo? Ankehitriny mariho, tazòny ny fisainanareo; indro tonga Izany, araka ny lazaiko. Hitanareo, tsy tao amin’izy ireo ilay drafitra manontolo. Nanondro an’Izany izy ireo.286 Noho izany, Aoriany, ilay Fahafenoana, dia tsy afaka manondro zavatra iray hafa isika. Izany dia manondro mankany Aminy, ny Teny. [Mandray ny Baiboliny Rahalahy Branham—Mpand.] Ity no Fanambarana feno; tsy misy na inona na inona azo ampiana na esorina amin’Izany. Izao no Fanambarana feno. Io rehetra io, dia aloka iray an’Ilay ho avy; fa rehefa tonga Izy, dia Izy no ilay Tanteraka. Hebreo 1, “Andriamanitra tamin’ireo andro samihafa dia niteny tamin’ireo razana fahiny tamin’ny alàlan’ireo mpaminany,” Andriamanitra dia niteny tamin’ny alàlan’ireo voaly, ireo mpaminany, “fa amin’izao andro farany izao kosa dia amin’ny alàlan’ny Zanany, Jesosy Kristy.” Eo ianareo izao. Voaseho teo Kalvary, ilay Zanak’Andriamanitra, voaseho.287 Mariho, “novelombelomina.” Ary, amin’izao andro izao, rehefa voaseho ao anatin’ireo siny olombelona ny Teny, ireo voaly, dia izany mihitsy tokoa no Teny tanteraka tamin’izany andro izany, izay miverina ho Andriamanitra. Satria natao batisa tao Aminy, araka ny Korintiana Voalohany 12, dia lasa voatondro miaraka Aminy isika. Amena.288 Efa niteny antsasak’adiny aho, saingy afaka mahazo lavalava kely fotsiny ve aho? [Hoy ny fiangonana hoe, “Amena.”—Mpand.] Hitanareo? Jereo, tsy afaka mamela an’ity eto ity fotsiny mihitsy aho. Mariho, voatondro miaraka Aminy!289 Ankehitriny mariho. Teratany Amerikana firy no eto? Atsangano ny tànanareo. Eny àry, teratany Amerikana iray ianareo, noho izany dia voatondro miaraka amin’ity firenena ity ianareo. Na inona na inona ity firenena ity, dia tsy maintsy ho izany ianareo. Marina ve izany? Ianareo no voninahiny rehetra ary ianareo no fahamenarany rehetra. Voatondro miaraka aminy ianareo. Amerikana iray ianareo, noho izany dia mandray an’i Amerika ianareo. Haleloia!290 Niaraka tamin’i George Washington aho rehefa niampita ny Delaware izy. Voatondro miaraka aminy aho. Marina izany. Niaraka tamin’i Abraham Lincoln aho tao amin’ilay Gettysburg Address. Nitsangana tany aho. Niaraka tamin’ireo miaramila tao Guam aho, ianareo zazalahy, rehefa nampiakatra an’ilay saina ianareo. Teo aho. Amerikana aho; voatondro miaraka amin’izany aho. Amena. Ankehitriny, mba ho Amerikana iray, na inona na inona fahamenarany tao amin’ilay Tolom-piavotana, dia mitondra an’izany aho, satria Amerikana iray aho. Marina izany.

Page 57: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

NY FANEHOANA AN’ANDRIAMANITRA 57

291 Ary satria Kristiana iray, dia voatondro miaraka Aminy aho. Amena! Niaraka tamin’i Noa aho rehefa niditra tao amin’ilay sambofiara izy. Niaraka tamin’i Mosesy aho rehefa nivoaka avy tao Egypta izy. Amena! Niaraka tamin’i Elia teo amin’ny Tendrombohitra Karmela aho. Eny, tompoko! Voninahitra ho an’Andriamanitra! Niaraka taminy aho rehefa nanao an’io izy. Niaraka Taminy marina tokoa aho, nanondro ny tenako tao amin’ny Fahafatesany aho teo Kalvary rehefa maty tamin’ireo zavatr’izao tontolo izao aho, tamin’ny tenako sy ireo fombafomba rehetra. Voatondro niaraka Taminy aho. Voatondro niaraka Taminy aho tamin’ny marainan’ny Paska rehefa nitsangana tamin’ny maty Izy. Voatondro niaraka Taminy aho tamin’ny Andron’ny Pentekosta, rehefa nidina tahaka ny rivotra mahery nifofofofo ny Fanahy Masina. Voatondro niaraka Taminy aho. Izay rehetra naha-izy Azy dia izaho, izay rehetra maha-izy ahy dia Izy; amena, satria maty tao Aminy dia voatondro miaraka Aminy isika. Izay maha-izy Azy dia izaho. Amena!292 Izay maha-izy an’ity firenena ity dia izaho. Mirehareha ny amin’izany aho. Vonona hitondra ny fahamenarany aho. Vonona ny hitondra henatra iray aho mba ho Amerikana. Marina izany. Fa indroa amin’izany aho ho an’i Jesosy Kristy! Izay rehetra hany naha-izy Azy dia izaho. Tiako ny ho voatondro miaraka Aminy.293 Ireo apostoly ireo, rehefa niverina izy ireo, dia nihevitra izy ireo…nesoina izy ireo, sy nantsoina tamin’ny zavatra hafa rehetra, dia nihevitra izy ireo fa voninahitra lehibe ny mitondra ny henatry ny Anarany.294 Faly aho androany ny ho isan’izy ireo, satria voatondro miaraka amin’ny Teny, izay Kristy. Voatondro miaraka Aminy! Satria natao batisa tao Aminy, dia lasa voatondro isika; voatondro amin’ny fitoviana Aminy, voatondro miaraka amin’ny Teniny, izay Izy. Raha ao amin’i Kristy aho, dia izaho no Teniny; satria Izy no Teny, ary izay maha-izy Azy dia izaho. Amena! Azonareo ve Izany? [Hoy ny fiangonana hoe, “Amena.”—Mpand.] Eny àry.295 Ny Teny voaseho, na voambara tao amin’ilay Fanambarana ao anatiny, amin’izay fotoana izay dia inona no apetrak’izany amiko? Raha Izy io Voninahitr’i Shekinah io, dia ampahan’Izany aho. Amena! Oh! Amena! Marina izany. Ilay Teny Izy tenany voambara, manambara ny Tenany.

Eritrereto! Ireo zava-miafin’Andriamanitra dia nampahafantarina antsika amin’izao andro izao, tamin’ny alàlan’ilay Iraky ny Lanitra iray ihany izay nampahafantarina tamin’izy ireo tamin’ny androny; mariho, ilay Andry Afo iray ihany izay naniraka an’i Mosesy; ilay Andry Afo iray ihany izay teo amin’i Mosesy izay nanoratra ny Baiboly; ilay Andry Afo iray ihany izay nihaona tamin’i Paoly teny amin’ny làlany nankany Damaskosy.

Page 58: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

58 NY TENY VOAMBARA

296 Ary i Paoly no nanoratra ny Testamenta Vaovao. Tsarovy, Matio, Marka, Lioka, ary Jaona, nanoratra fotsiny an’izay hitany izy ireo; fa i Paoly no nanana ny Fanambarana. Navoakany Izany, satria efa nihaona tamin’ilay Andry Afo izy, izy tenany. Ary eritrereto, ilay iray ihany…297 Tany, Josefa, izy rehetra ireo dia nanoratra an’izay niseho, ny tsirairay dia nanoratra tamin’izany andro izany. Fa rehefa tonga teo amin’ny sehatra i Mosesy, dia izy no nanana ny Fanambarana. Nihaona tamin’ilay Andry Afo izy, ary Izany no nanambara tamin’i Mosesy ny amin’ny Genesisy. Izy no nanoratra an’ireo boky efatra voalohany an’ny Baiboly, Mosesy no nanoratra. Marina ve izany? Satria nihaona tamin’Andriamanitra tao amin’ny endrika Andry Afo izy, voasarona tao anatin’ny Andry Afo.298 Rehefa nihaona Taminy i Paoly teny amin’ny làlana…Ireo mpianatra dia nanoratra fotsiny an’izay hitan’izy ireo fa Nataony, fa i Mosesy no nanana ny Fanambarana; nidina nankany Egypta nandritry ny telo taona ary nianatra, ary nahita fa ilay Andriamanitry ny Testamenta Taloha no Jesosin’ilay Vaovao, ny Fanambarana! “Tsy mba tsy nankatò ny fahitana avy any An-danitra aho.” Marina izany. Marina!299 Ary eritrereto Izany! Ilay Andry Afo iray ihany izay tonga teo amin’ireo olona izay nanoratra ny Baiboly ireo, no Andry Afo iray ihany eto, androany, mandika ny Baiboly. Amena! Toy ny ahoana no isaorantsika Azy ny amin’izany! Mitovy! Fiononana iray toy ny inona! Fanondroana toy ny inona! Tena faly aho fa voatondro ao amin’izany, tsy fantatro izay hatao! Aleoko voatondro ao amin’Izany toy izay amin’ilay Batista rehetra, Metodista, Presbyterana, Loterana, sy ny sisa amin’izy rehetra ireo. Voatondro ao amin’ny Teny izay itoeran’ilay Voninahitr’i Shekinah sy ny Fanambarana!300 Ilay Andry Afo dia miseho hita maso eo anivontsika, manondro fa marina ny Hafatra, tahaka ny Nataony teo amin’ny Tendrombohitra Sinay. Tsarovy, talohan’ny nivoahan’ilay hafatra marina, dia nitory teny i Mosesy ary nitarika azy ireo nivoaka an’i Egypta; fa teo, talohan’ny nametrahana an’ireo tena didy (nentina ireo Tombokase), dia nidina teo anatrehan’ny olona Andriamanitra ary nanaporofo fa i Mosesy dia nirahina avy Taminy, (marina ve izany?) tao anatin’ny Andry Afo iray izay nolazain’i Mosesy fa hitany tao anatin’ny roimemy iray ka niresaka taminy.301 Oh, amin’izao andro farany izao, ny mahita an’io Andry Afo iray ihany io eo anivontsika mihitsy, miteny an’ilay Teny iray ihany; tsy izany fotsiny ihany, fa mandika Azy amin’ny alàlan’ny fanehoana Azy, sy manaporofo Azy, Izany no Fahamarinana. Noho izany, dia tsy nanana fomba anankiray tsy hinoana ny olona, raha tsy hoe te-hanao fanahy iniana fotsiny izy ireo.

Page 59: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

NY FANEHOANA AN’ANDRIAMANITRA 59

Ary, amin’izay fotoana izay, “Izay minia manota rehefa avy nahazo fahalalana ny amin’ny Fahamarinana, dia tsy misy fanatitra ho an’ny ota intsony.”302 Mariho, ny Andry Afo iray ihany izay nirahina teo amin’i Mosesy sy teo amin’i Paoly, izay nanoratra ny Baiboly, no nirahina ankehitriny hanambara an’Izany. Ilay fahasoavan’Andriamanitra, ilay Andriamanitra tsy miova, manatanteraka an’ireo teny fikasan’ny Matio 28, “Indro, momba anareo mandrakariva Aho”; manatanteraka ny Masindahy Jaona 14:12, “Ireo asa izay Ataoko, ataonareo koa”; manatanteraka ny Masindahy Lioka 17:28-29, “Amin’ny andro farany dia ho voambara ny Zanak’olona,” hitanareo, hitanareo; Malakia 4, “Indro, Aho maniraka an’i Elia mpaminany ho aminareo, izay hamerina ny Finoan’ny olona amin’ny Teny tany am-piandohana.” Hitanareo? Ahoana io…Hitanareo? Oh, oadray!303 Maty Izy, mba haneho ny Tenany amintsika. Ankehitriny dia ndao isika ho faty amin’ny tena, mba hanambara Azy amin’ireo hafa. Ndao isika ho faty amin’ireo fombafomba sy ny sisa, mba hanambara Azy amin’ny hafa. Aoka ho faty amin’ireo anaram-piangonana, mba hanambara Azy amin’ireo hafa.304 Mariho, ilay tempoly tranainy dia nanana ny Voninahitr’i Shekinah tao aminy, ary ny Hazavan’i Shekinah no teo ambonin’ny Teny. Ny Teny dia Voa iray; Izany no nitondra ny mofo aseho tamin’ireo mpino irery ihany. Ny rà koa dia teo ambonin’ilay fanekena; ary ny Rà no rano, ilay rano izay manome aina ny voam-bary, ny vary, ny voa, dia ny Teny.305 Tahaka ny nolazain’i Jesosy hoe, “Tahaka ny nanandratan’i Mosesy ny menarana varahina,” dia niteny indray Izy hoe, “Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao Nomeny ny Zanany Lahitokana; mba tsy ho faty izay rehetra mino Azy.” Nikapoka an’ilay vatolampy i Mosesy tany an-efitra, mba hamonjy vahoaka iray eo am-pahafatesana, na hitondra rano. Nikapoka an’i Jesosy Andriamanitra, mba hamoaka ny Fanahy avy tao Aminy, ho an’ny vahoaka iray eo am-pahafatesana. Nivoaka avy tao Aminy ny Rà, izany hoe, “Ny ranon’ny fanasana amin’ny alàlan’ny Teny.” Ka, ny Rano no mitondra Aina ho an’ilay Voa. Ary izany no nitondra ny Voninahitr’i Shekinah; namirapiratra teo ambonin’ny Teny, izay namokatra an’ilay mofo aseho. Ary ilay mofo aseho dia ho an’ny vahoaka iray voafidy ihany. Ah-hah. Marina ve izany? [Hoy ny fiangonana hoe, “Amena.”—Mpand.]306 Ankehitriny ny miditra ao anatin’ilay voaly, any ankoatr’ilay voaly, ao amin’ny Fanatrehany, izay misy ny Teny (fa tsy fanekem-pinoana), ny Teny; ao anatin’izany dia mahita ny Voninahitr’i Shekinah, ilay Shekinah, ilay

Page 60: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

60 NY TENY VOAMBARA

Hery, ilay Fanahy Masina mamirapiratra eo ambonin’ny Teny, mamokatra an’ilay teny fikasana, dia maneho fa ao ambadik’ilay voaly ianareo. Amena!

Niampita an’ireo voaly rovitra aho izay misy ny Voninahitra tsy mety levona mihitsy, (Ah!)

Haleloia, haleloia; velona eo amin’ny Fanatrehan’ilay Mpanjaka aho.

Niampita an’ireo voaly rovitra aho izay misy ny Voninahitra tsy mety levona mihitsy,

Velona eo amin’ny Fanatrehan’ilay Mpanjaka aho.

307 Ilay hodi-takasy tranainy, ireo anaram-piangonana, dia potika. Nitsofoka teo amin’izany aho, tao amin’ilay Voninahitr’i Shekinah, ary mahita ny Teny aho. Mahita an’ilay Andry Afo mihetsika aho. Mahita ny Teny tonga voaseho aho. Izay Nolazainy fa Hataony amin’izao andro farany izao, dia mahita an’izany mitombo aho. Mahita an’ireo zanaka mihinana an’ilay Mofon’i Shekinah tonga avy amin’ny fahamasahan’ilay Teny aho, izay mino an’Izany. Amena! Ora mahafinaritra toy ny ahoana no iainantsika! Hitanareo, ilay Shekinah dia eo ambonin’ny Teny; ary eo ambany no nisy an’ilay Mofo. Ary nisy an’ilay Rà teo, nafafy, izay manome rano an’Izany. Ny Fanahy no manome Aina ho an’ny Teny. Ary ny… Firy no namaky, nandre an’ilay horonam-peo mikasika Ny Raharaham-pitsarana? Ataoko fa, ny maro aminareo no nandre. Hitanareo eo, izany dia mila… Tsy maintsy mitombo io Teny io. Mba hitomboana, dia tsy maintsy ho ao amin’ilay karazana tany tsara Izany. Hitanareo? Ary manao teny fikasana iray Andriamanitra, dia mandona an’ilay fo izany, tsy mety levona izany.308 Niandry roapolo amby zato taona i Noa. Niandry dimy amby roapolo taona i Abrahama, teo amin’ilay zanaka. Andriamanitra no niteny an’izany, dia nilamina hatreo izany. Hitanareo? Inona izany? Teo ilay Teny notondrahan’ny finoana, nino an’Izany, namokatra an’ireo valiny izany. Namokatra zanakalahy iray izany; namokatra orana izany; namokatra safo-drano izany; namokatra virijiny izay nanana anaka izany.309 Mpaminany iray no nanao hoe, “Hanana anaka ny virijiny.” Tsy isalasalana fa ny tovovavy kely rehetra dia nandeha ary nanao ny akanjon-janany ho vonona. Eny, ity mpaminany Isaia ity dia voatondro ho mpaminany, nohamarinin’Andriamanitra. Ary hoy ny Tompo hoe, “Hanana anaka ny virijiny. Hanome azy ireo famantarana ivelan’ny voajanahary iray Aho, famantarana lehibe iray; hanana anaka ny virijiny.”

Page 61: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

NY FANEHOANA AN’ANDRIAMANITRA 61

310 Teo, ireo olona rehetra ireo, ireo mpino, tahaka anareo rehetra fotsiny. Ary nandre an’io mpaminany io niteny an’izany izy ireo, ny tovovavy kely rehetra…Ny lehilahy rehetra dia nanao hoe, “Tsy maintsy ho ny zanakovavy izany. Eny, tompoko.” Ny olona rehetra dia nandeha ary nividy kiraro kely sy lamban-jaza sy ny sisa, niomana, satria fantatr’izy ireo fa hanana an’izany izy. Lasa io taranaka io, ary nieritreritra izy ireo hoe, “Io mpaminany voatondro io, nohamarinin’Andriamanitra, ahoana no nahafahany niteny tamintsika zavatra tsy marina? Tsy maintsy misy izany!”311 Valon-jato taona taty aoriana izany, fa niteraka an’ilay zazakely izy. “Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny Teniko tsy ho levona.”312 “Ary izao no hiseho amin’ny andro farany,” hoy Andriamanitra. Hitanareo, eto isika izao, ilay—ilay Hazavana eo amin’ny Teny. Tahaka ny hanovan’ny hazavan’ny masoandro an’ilay voa avy amin’ny voninahitra ho amin’ny voninahitra, isika koa dia lasa—lasa miha-mitovy Aminy hatrany arakaraky ny iainantsika ao amin’ny Fanatrehany; mitovy Aminy, lasa tena mitovy amin’ny Endriny voatahy arakaraky ny handehanantsika miaraka Aminy.313 Diniho izay ataon’ny masoandro. Mamboly voa iray ianareo, inona no mitranga? Lò io voa io. Ao anatin’ilay voa dia misy aina iray. Ilay aina dia mivoaka ary miteraka taho iray. Ankehitriny, tsy tahaka an’ilay voalohany izany. Teo i Lotera. Taho iray izany. Eny àry. Nanohy ilay taho ary, ny zavatra voalohany fantatrareo, dia niteraka felana iray izany. Hitanareo, ilay fifohazana Wesleyana izany; tsy tahaka an’ilay hafa. Avy eo dia tonga ny fifohazana Pentekotista, hitanareo, nitondra ny batisan’ny Fanahy Masina. Eny àry. Inona no nitranga? Nanana holatra isika teo amin’ilay salohy. Nanomboka niha-ratsy ilay izy. Ity zavatra ity, itsy zavatra itsy, tsy mitovy amin’ny Teny ilay izy. Tsy nitovy tamin’ny sisa rehetra tamin’Izany ilay izy. Tsy nitovy tamin’ilay Voam-bary tany am-piandohana izay nilatsaka ilay izy.314 Fa mbola eo Andriamanitra hanao an’izany—izany mitovy foana. Mariho, inona no ataon’ilay izy? Farany dia miverina any amin’ilay Voa tany am-piandohana indray izany. Rehefa tonga tao amin’ny endrik’i Martin Luther Izy; rehefa tonga tamin’ny endrik’i John Wesley Izy; rehefa tonga tamin’ny endriky ny Pentekotista Izy; dia natao haneho ny Tenany indray Izy tahaka an’ilay Voa iray ihany izay nilatsaka, ny Zanak’olona. Naneho ny Tenany ho Zanak’Andriamanitra Izy, nandritr’ilay taonan’ny taho sy ny sisa, fa ao amin’ity taona farany ity Izy dia tsy

Page 62: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

62 NY TENY VOAMBARA

maintsy maneho ny Tenany ho Zanak’olona indray. Azonareo ve izany? [Hoy ny fiangonana hoe, “Amena.”—Mpand.] Eny àry, tahaka ny tany amin’ny voalohany, namboarina!315 Ary inona no mampitombo an’ilay taho? Nitombo foana izy hatramin’izay. Mitombo io taho kely io, nefa dia mbola tsy ilay voam-bary tany am-boalohany foana izy. Tsy toy izany koa ny hafatr’i Luther; tsia, tonga avy eo ireo—ireo hafatra hafa, Finney, Sankey, Knox, Calvin, sy ny sisa, tsy nisy anankiray tamin’ireo. Mbola ny hafatra foana ihany izy ireo saingy, inona izany, tsy nahazo an’ilay Fanambarana feno an’Izany izy ireo satria tsy izany ilay fotoana. Tsy afaka mametraka ny salohy eo amin’ilay katsaka ianareo raha tsy amin’ny fotoana hahatongavany. Hitanareo? Ary avy eo, amin’ny farany, dia miverina eo indray ilay Voa tany am-piandohana izay nalatsaka tao anatin’ny tany.316 Hitanareo fa Andriamanitra dia manaraka ny natiora tanteraka. Hitanareo, teraka ho zanak’ondry iray Izy, izany no antony Nahaterahany tao amin’ny fihinanam-bilona iray. Tsy teraka ao anaty fandriana ireo zanak’ondry. Hitanareo, Izy dia notarihina nankeny Kalvary. Zanak’ondry, ny ondry dia tarihina. Marina izany. Ireo osy no mitarika azy ireny ho any amin’ny famonoam-biby, fantatrareo izany, trano famonoam-biby iray. Osy iray no mitarika azy ireny, fa tsy maintsy tarihina izy ireo. Hah! Marina izany. Noho izany dia notarihina ho any amin’ny famonoam-biby Izy, hitanareo, satria Zanak’ondry iray Izy.317 Ny zavatra rehetra dia manondro Azy ao amin’ny natiora. Izany no antony Nahaterahany tamin’ny Martsa na Aprily, fa tsy tamin’ny Desambra; tsy mety ho izany Izy, nisy ranomandry roapolo dian-tongotra tany tamin’io fizaran-taona io. Tsy andriamanitra-masoandro mihitsy, fa Izy no Zanak’Andriamanitra. Hitanareo? Ny andriamanitra-masoandro Romana teo amin’ny andro fahadimy amby roapolon’ny Desambra, rehefa mandalo eo amin’ny toerany eo ao amin’izany ny masoandro ka nanana an’ireo fampilalaovam-biby Romana izy ireo, ary niantso ny tsingerin-taonan’ilay andriamanitra-masoandro, ary nanao an’izany ho ny Zanak’Andriamanitra. Tsia, tsia. Izy no Zanak’Andriamanitra. Ny Tsingerin-taonany dia miaraka amin’ny sisa amin’ny natiora. Marina tokoa.

Ankehitriny mariho indray ankehitriny raha manohy isika, manana fotoana kely tavela isika.318 Ankehitriny mankany amin’ilay tanteraka. Taorian’ny niforonan’ilay taho; taorian’ny niforonan’ilay felana; taorian’ny nidiran’ilay voa tao amin’ny akofa; avy eo dia tsy maintsy tonga amin’ny fahatanterahana ilay izy, miverina amin’ilay voam-bary mahazatra indray.

Page 63: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

NY FANEHOANA AN’ANDRIAMANITRA 63

Ary, tsarovy, ilay voam-bary dia tsy maintsy lonaka. Hitanareo? Raha tsy izany izy, dia tsy ho velona izy. Hitanareo? Tsy nisy na dia iray aza izay any ivelan’ireo hafatra ireo ka ho tonga eo amin’ny Fiainana. Tsy maintsy lonaka amin’Izany izy. Saingy, tsarovy, ilay Aina iray ihany izay tao amin’ilay taho no ao amin’ilay voam-bary. Manamasaka ny tenany fotsiny indray izy, hitanareo. Nanambara ny Tenany Izy, (inona?) Zanak’olona, ilay voam-bary izay nilatsaka tamin’ny tany. Azonareo ve ny Hafatra? [Hoy ny fiangonana hoe, “Amena.”—Mpand.]

Niteny Taminy ireo Grika hoe, “Te-hahita an’i Jesosy izahay.”319 Hoy Izy hoe, “Raha tsy milatsaka amin’ny tany ny voan-katsaka.” Hitanareo? Eny àry.320 Ankehitriny inona no Nanambarany ny Tenany manaraka? Ao amin’ny endrika iray hafa; taho sy felana, sy ny sisa, ary ireo ravina rehetra sy ny sisa. Nanambara ny Tenany Izy avy eo, (inona?) Fanahy iray ihany, saingy ao amin’ny endrika iray hafa. Hitanareo? Fa inona no iafaran’io katsaka io? Miverina indray any amin’ilay voam-bary tany am-piandohana izy. Marina ve izany? [Hoy ny fiangonana hoe, “Amena.”—Mpand.]321 Ary tonga ny Asam-panompoany, avy amin’ireo fanavaozana, miverina any amin’ny Teny tany am-piandohana indray. Ny Teny dia tonga amin’ny mpaminany. Ary Izy no nampanantena an’izany, ao amin’ny Malakia 4, “Ary hamerina indray ny Finoan’ny olona ho amin’ilay voam-bary tany am-piandohana.” Ilay nilatsaka tamin’ny tany no misy eto ihany. Ilay voam-bary dia niakatra nandalo eto. Niakatra ho Zanak’Andriamanitra izany, ankehitriny Izany dia maneho ny Tenany ho Zanak’olona, ary avy eo Izany dia maneho ny Tenany ho Zanak’i Davida eo amin’ny Seza fiandrianana. Hitanareo, ireo zanaka telo, tena marina mihitsy. Oh, oadray, tahaka an’ilay tany am-piandohana indray!322 Ankehitriny ho an’ilay asam-panompoana tanteraka an’ny Tenany; tsy olona iray, tsy anaram-piangonana iray, tahaka ny niasan’izy ireo nandritr’io taona teo io, hitanareo; fa ny Tenany tonga voaseho, maneho ny Tenany amin’ilay teny fikasana, manao ny Masindahy Lioka 17:28, Malakia 4, sy ny sisa, Hebreo 13:8, ho tena marina tokoa. Amin’izay fotoana izay, ho fotoana inona izany? Rehefa miandry an’ilay Zanaka nampanantenaina ilay Taranaka mpanjaka an’i Abrahama. Ary ireo tandindona rehetra dia tsy maintsy ho tanteraka. Ary Andriamanitra Tenany no niseho tao amin’ny endrika vatan’olombelona iray, tamin’ny taranaka ara-nofon’i Abrahama, talohan’ilay fandravana, ary Jesosy no nilaza fa ho zavatra mitovy amin’izany no ho an’io Taranaka mpanjaka io alohan’ny hiverenan’ilay Zanaka nampanantenaina.

Page 64: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

64 NY TENY VOAMBARA

323 Mariho ilay voaly tranainy izay nanafina an’ilay Voninahitra. Ilay hodi-takasy tranainy, tsy nisy hatsaran-tarehy haniriana azy; na dia ny Nofony aza. Izany no antony nilazan’ny olona hoe, “Lehilahy vokoka kely tahaka an’io?” Angamba telopolo taona, ary fotsy volo, ny Volombavany fotsy, tsy misy jerena. Hoy ny Baiboly hoe, “Tsy nisy hatsaran-tarehy haniriantsika Azy.” Tsy tahaka ny Mpanjaka iray Izy, ilay hodi-takasy tranainy, saingy, oh, inona ilay tao anatiny!324 Ary andiana “holy-rollers” kely iray no niara-nipetraka tao amin’ny tranobe iray mafana tahaka an’izao, izany no niantsoany azy ireo, tsy misy hatsaran-tarehy haniriana azy, fa inona ilay tao anatiny! Azoko antoka fa voasarona izany amin’ny fo maro be, hitanareo. Hitanareo? Eny àry.325 Ny tety ivelany dia tsinontsinona Izany, fa ny rehetra dia tao anatiny. Vantany vao ao anatin’Izany, dia mahita Azy ianareo. Ahoana no hidiranareo ao anatin’Izany; fandraisan-tànana, fikambanana? Tsia. Teraka ao anatin’Izany. Maty, miala amin’ilay hodi-takasinareo tranainy, hitanareo, ilay maha-ianareo tranainy, mba hiditra ao amin’ny anankiray vaovao. Hitanareo? Mandao an’ilay hodi-takasy tranainy.326 Ilay Hazavan’i Shekinah dia tsy…Henoy, ry mpitoriteny! Ry Mpitoriteny, tiako ianareo hihaino an’Izao. Rehefa vantany vao ao anatiny…Ankehitriny dia hanao an’izao tena miadana aho, mba hahazoanareo antoka fa mahazo Azy. Vantany vao ao anatin’ilay voaly, eo ambanin’ny Voninahitr’i Shekinah, ilay Hazavan’i Shekinah dia tsy handray ny Tenin’Andriamanitra ka hanambara an’i Jesosy ho “mpanao hatsarana,” tsia, tahaka ny ataon’ireo anaram-piangonana amin’izao andro izao, “fifandraisana ara-tsaina, holy-roller, Belzeboba.” Tsy hanambara Azy ho izany ilay Voninahitr’i Shekinah.327 Fa ny Voninahitr’i Shekinah dia manamasaka an’ilay Voa izay nampanantenaina ho an’ilay ora, an’ny Teny, maneho Azy ho mbola Lisin’ny Lohasaha foana. Izany no mitondra an’ilay Voa, ny Lisin’ny Lohasaha, ny Mofon’Aina, ny Alfa sy Omega, ilay tsy miova omaly, anio, ary mandrakizay. Izy no ampahan’ireo mpino. Ny Voninahitr’i Shekinah dia manambara, amin’ilay mpino, fa Izy no tsy miova omaly, anio, ary mandrakizay.328 Tsy hoe, “Ireo andro, lasa Izy, ary maty Izy dia tapitra ny rehetra.” Noho izany ry sakaiza, raha mino an’izany ianareo, raha mino an’izany ianareo, dia tsy nahakasika an’ilay Voninahitr’i Shekinah mihitsy ianareo. Ahoana no hahafahan’ny Voninahitr’i Shekinah hanambara Azy ao amin’ny olona anankitelo? Hitanareo? Ahoana no hahafahan’ny Voninahitr’i Shekinah hanambara Azy

Page 65: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

NY FANEHOANA AN’ANDRIAMANITRA 65

amin’ny nanaovana batisa, ny olona, amin’ny anaran’ny “Ray, Zanaka, ary Fanahy Masina,” nefa tsy misy olona iray mihitsy ao amin’ny Baiboly natao batisa tahaka an’izany? Ahoana no hahafahan’ny Voninahitr’i Shekinah mamaritra Azy ho apostoly iray, nefa Izy no tsy miova omaly, anio, ary mandrakizay? Hitanareo?329 Ny Voninahitr’i Shekinah dia maneho Azy. Izany no mitondra ny Tenin’ny fampanantenana, ho eo aminareo mihitsy. Izany no antony tsy maintsy Nanaronany ny tavan’i Mosesy, satria tao anatiny ny Teny. Nanarona an’i Jesosy Izy, ho Lehilahy kely iray manetry tena, mba tsy hahitan’izy ireo an’i Jehovah. Ary manarona ny Tenany Izy amin’izao andro izao, ao amin’ireo siny tany, miaraka amin’i Shekinah. Ny ivelany dia toy ny andiana holy-rollers iray, hodi-takasy tranainy, fa ilay ao anatiny kosa dia manafina an’ilay Voninahitr’i Shekinah. Ary Izany no manamasaka an’ilay Mofo aseho izay hivokisantsika, ary hitondrantsika fiara manerana ny firenena, an-jatony maily, hitanareo. Izany no Sakafon’ireo mpino. Ho an’ny mpino irery ihany Izany. Tsarovy, ilay Mofo aseho dia ho an’ny mpino irery ihany, hitanareo, Taranaky ny Mofo aseho. Mariho. Inona no ataon’izany? Io Voninahitr’i Shekinah io, eo ambonin’ilay Mofo aseho, no nisakana Azy tsy ho simba.330 Tsarovy, ilay mana izay avy tany An-danitra, izany dia notehirizina tao amin’ilay Voninahitr’i Shekinah, avy amin’ny taranaka iray ho an’ny iray hafa. Ny tany ivelany, dia nisy tsiboboka tao anatiny, tamin’ny alina, nihasimba izany. Marina ve izany? [Hoy ny fiangonana hoe, “Amena.”—Mpand.]331 Any ivelan’ilay Voninahitr’i Shekinah dia, “Efa lasa ireo andron’ny fahagagana. Hitanareo, izany rehetra izany dia fanatisma.” Fa ny ao anatiny…332 Jereo, voan’ny tanamasoandro no nananan’izy ireo tao amin’ny sompitra iray tao Egypta izay natao tao tamin’ny andron’i Josefa, efatra arivo taona, saiky, lasa izay. Josefa no nanao azy ireo tao anatin’ilay sompitra. Izany no nambolen’izy ireo. Velona izy ireo. Nahoana? Nanana aina izy ireo.333 Inona io Voninahitr’i Shekinah io amin’izao andro izao? Ny mamaky any ankoatr’ilay voaly, mba hahita hoe Iza no Andriamanitra izay mijoro eo anoloanareo, hahita hoe Iza no Andriamanitra mijoro eto anoloantsika eto, ilay—ilay Andry Afo. Voasarona ao anatin’ny nofon’olombelona Izy. Fa inona no ataon’ilay Shek’nah, inona no nataony? Ilay Taranaky ny Mofo aseho, ilay Teny izay tokony iainantsika amin’izao andro izao, amin’ny alàlan’ireo teny fikasana, ilay Voninahitr’i Shekinah no manamasaka an’ilay Mofo aseho, mitondra azy hiseho, manao azy ho Mofo ho an’ilay mpino; izay mipetraka ao amin’ireo pejin’ny Baiboly, isan-taona, ilay Teny ho an’izao taona izao.

Page 66: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

66 NY TENY VOAMBARA

334 Ho an’ireo anaram-piangonana, dia vato manafintohina Izany. Ho an’ireo anaram-piangonana, dia tafintohina amin’Izany izy ireo. Nandritr’ireo taona, Luther, Wesley, Martin Luther, sy ny rehetra, Sankey, Finney, John Smith, Knox, izy rehetra dia tafintohina tamin’Izany.335 Fa inona no tsy maintsy vita amin’ny andro farany? Inona no atao hoe “manambara”? “Mamokatra!” Inona no tsy maintsy hataon’i Malakia 4? Manodina indray ny olona hiala amin’io vato manafintohina io, hamotika an’ireo fombafomba, ary hanambara an’ilay Mofo miaraka amin’ny Voninahitr’i Shekinah. Jereo Izy masaka ary mamokatra tanteraka mihitsy an’izay Nolazainy fa Hataony, oh, oadray, ilay Mofo aseho ho an’ity taona ity. Ho an’ilay anaram-piangonana, dia vato manafintohina iray, “andiana fanatika iray.” Fa, isika izay mino!336 Fa ankehitriny araka ny efa nampanantenain’ny Apokalypsy 10 hoe, “Ireo zava-miafin’Andriamanitra rehetra, izay nafenina ao amin’ireo pejy nandritr’ireo taona ireo, dia ho masaka, ho vokatra ao amin’ny taonan’ny Hafatr’ilay anjely fahafito.” Marina ve izany? [Hoy ny fiangonana hoe, “Amena.”—Mpand.] Inona no Nolazainy, herintaona sy enim-bolana lasa izay, efa ho roa taona ankehitriny? “Mandehana mankany Tucson; mankanesa any avaratr’i Tucson, fipoahana lehibe iray,” ary izao no hiseho, “hisokatra ireo Tombokase,” ireo Tombokase izay manambara an’ireo zavatra ireo. Niverina aho arak’izay Nolazainy mihitsy. Inona izany? Izany no maneho fa tsy mety ho olona Izany. Tena nifanaraka tanteraka Izany, marina arak’izay maha-izy azy fotsiny, isaky ny fotoana. Inona izany? Ny tànan’Andriamanitra Izany, hitanareo, eo anoloantsika. Ary satria ao amin’ny vondrona kely iray izany, voasarona ao anatin’ny nofon’olombelona, dia voasarona izany amin’ilay izao tontolo izao any ivelany. Miafina amin’ilay izao tontolo izao any ivelany Izy. Manambara ny Tenany amin’ireo zaza madinika izay hianatra Izy. Hitanareo? Marina izany.337 Ny, hitanareo, ny fanoharana rehetra ao amin’ny Baiboly, ny tandindona rehetra an’ny Baiboly, dia tonga voaseho mihitsy eto anatrehantsika eto. Ilay Andriamanitra iray ihany, ao anatin’ny Andry Afo, izay nanoratra ny Baiboly, ny Testamenta Taloha sy Vaovao, dia eto mihitsy maneho an’Izany, mampiseho tanteraka mihitsy hoe inona ilay izy, mandika mihitsy, ary manao an’ilay izy ho azo antoka fa izany ilay fandikana.338 “Izahay no manana an’ilay fandikana!” Noho izany dia aleo ho hitantsika ilay izy mitranga. Hitanareo, izay ilay izy, aleo ho hitantsika ilay izy tonga voaseho.

Page 67: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

NY FANEHOANA AN’ANDRIAMANITRA 67

339 Voaseho! Hoy Jesosy hoe, “Raha tsy manao an’ireo asan’ny Raiko Aho, dia aza mino Ahy.” Hitanareo, tsy maintsy voaporofo ilay izy.340 Fa ankehitriny—ankehitriny, tsy hoe voaporofo tahaka an’i Jesosy, napetrak’izy ireo ny—ny vorodamba iray nanodidina ny Lohany dia nokapohiny teo amin’ny loha Izy, nanao hoe, “Raha Mpaminany iray Ianao, dia lazao anay hoe iza no nikapoka Anao.” “Ary raha Ianao no Zanak’Andriamanitra, dia avadiho ireto mofo ireto.” Hitanareo, ny devoly izany. “Raha Ianao no Zanak’Andriamanitra, dia mialà eo amin’io ha-…”341 Ny tiako lazaina dia, ny Fanambarana izay tokony Hataony, dia izany no Izy. Fa ankehitriny, satria voambara ny Apokalypsy 10, dia tonga voaseho ireo zava-miafin’Andriamanitra, fantatra, araka ny nampanantenain’ny Bokin’ny Tombokase-Fito.

Ankehitriny aoka ny finoanareo ho ao Aminy Izay ny Teny…Satria, ao amin’ny Apokalypsy 10 dia izao no voalazany…342 Na, ny Apokalypsy 19, raha ny marina. Noraisiko naoty eto, Apokalypsy 10, mba handraisana an’izany; fa tsy ny 10 ilay izy, ilay izy dia ny 19. Rehefa tonga Izy, Izy dia hantsoina hoe, “Ny Tenin’Andriamanitra,” mitaingina eo ambonin’ny soavaly fotsy iray, ary ireo mpanaraka avy any An-danitra dia ho Aoriany.343 Poteho ilay voalim-pahaizan’anaram-piangonana! Poteho ilay voalin’ny fombafomban’anaram-piangonana! Poteho ireo voaly izay manafina Azy aminareo! Poteho ireo voalin’ny fireharehana, ianareo vehivavy. Ianareo no—ianareo no zanakavavin’ny Mpanjaka; manaova tahaka an’izany, miainà tahaka an’izany. Poteho ny voaly rehetra, tsy mampaninona izay lazain’ny Ph.D. sy ny LL.D. Raha mifanohitra amin’ity Baiboly ity izany, dia mamakia eo amin’ilay voaly!

Satria, efa niampita an’ilay voaly rovitra isika. Efa ery amin’ilay ilany hafa isika ankehitriny, ery amin’ilay ilany hafa. Dia hahita ianareo, raha hanao an’izany fotsiny ianareo, poteho ireo fombafomba tranainy sy ny sisa, dia manatòna Azy, ho hitanareo Izy mitsangana, ilay Mpandresy Mahery, ilay Tenin’ny fampanantenana ho an’ity taona ity, tonga voaseho. Ho hitanareo ilay Andriamanitra Mahery voaseho, hahita Azy eto anivontsika eto mihitsy, voaseho, ilay Andriamanitra Mahery, tsy resin’ireo fombafomba.344 Niezaka nanafina Azy tao ambadika tao izy ireo; nanafina izy ireo, nandritry ny taona maro, saingy nanakaiky ilay fotoan’ny teny fikasana. Nanangana Mosesy iray Andriamanitra indray mandeha, ary nanafaka an’ireo zanaka

Page 68: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

68 NY TENY VOAMBARA

tamin’ireo zavatra ireo izy. Ary Izy dia mbola…Tsy mety resy Izy. “Ny Lanitra sy ny tany ho levona, fa ny Teniko tsy ho levona.” Izy no tsy miova omaly, anio, ary mandrakizay.345 Hoy izy ireo hoe, “Tsy mety vita izany.” Fa vita ilay izy. Avy eo, rehefa vita ilay izy, dia hoy izy ireo hoe, “Avy amin’ny devoly izany.”346 Fa tsy manova ny Tenin’Andriamanitra izany, na kely aza. Izany dia mbola mijanona ho “Andriamanitra,” foana ho an’ilay mpino, “ilay Mpandresy Mahery; ilay tsy miova omaly, anio, ary mandrakizay,” amin’ny alàlan’ny Natiorany, amin’ny alàlan’ny Teniny, Hebreo 13:8.347 Hamarana aho, amin’ny filazana an’izao, satria amin’ny roa ambin’ny folo latsaka dimy minitra izao, hilaza an’izao fotsiny. Manana eo amin’ny folo, pejy roa ambin’ny folo amboniny aho. Halaiko izany amin’ny fotoana hafa, angamba rahariva.348 Mariho, mariho izao. Nisy lavanty indray mandeha, ary nanana lokanga tranainy iray izy ireo. Efa nandre an’izany imbetsaka ianareo. Lokanga tranainy iray; ary hoy ilay mpanao lavanty hoe, “Ohatrinona no omena ahy amin’ity?” Mety tsy tena tsara ny hanaovako an’izao, arak’ilay tononkalo. Izany dia efa taona, taona maro, saingy tonga ato an-tsaiko ilay izy. Ary nalain’izy ireo ilay lokanga tranainy, tsy dia tsara loatra ilay izy; toa maloto, sy ny sisa. Tsy nahazo tonom-bidy iray tamin’izany mihitsy aza izy. Tamin’ny farany, heveriko fa nahazo tonom-bidy iray dolara izy, na zavatra tahaka an’izany.349 Ary nisy anankiray nitsangana teo izay nihevitra fa tsy tokony hamidy amin’izany ilay izy, noho izany dia nandeha izy ary naka an’izany. Noraisiny teny an-tànany ilay izy, ary nalainy ilay fitendrena ka nalamainy izany, ary nitendry feon-kira iray izy. Ary rehefa nitendry izy, dia nanomboka nitomany ny rehetra. Tsy nandre mozika tahaka an’izany mihitsy izy ireo teo amin’ny fiainany. Tamin’izay fotoana izay dia hoy ilay mpanao lavanty hoe, “Ohatrinona no omena ahy?”350 “Roa arivo!” “Dimy arivo!” “Iray alina!” Hitanareo? Inona izany? Ny tànan’ilay tompo no nanambara an’izay voasarona tao anatin’ilay fitaovana tranainy.351 Mitovy ankehitriny! Ilay Boky tranainy, tonta Izy, nihomehezana Izy, nodorana, nesoina. Fa tonga ny fotoana izay hanaovan’izy ireo lavantin’anaram-piangonana iray, ilay Fiombonamben’ny Fiangonana Maneran-tany. Mivarotra an’Izany tahaka ny tsy raharahian’ny olona izy ireo. Misy lavantin’anaram-piangonana iray ho avy.352 Fa, tsarovy, misy zavatra iray ao anatin’ilay Boky tranainy izay nampanantena fa hisy tànana voavidy mialoha iray, voatendry ho avy indray andro any, izay haka an’Izany ary

Page 69: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

NY FANEHOANA AN’ANDRIAMANITRA 69

hanao ny Tenin’ity Boky ity, amin’ny alàlan’ny fo iray voafidy mialoha, hiasa amin’izay nanaovana Azy, hanambara an’ireo teny fikasana izay ao anatin’Izany. Izany dia mety, oh, ho toy ny andiana holy-rollers tranainy iray, na zavatra hafa; saingy mila fotsiny kosa ny tànan’ilay Tompo, ny Teny eo Aminy, hanambara an’izany Teny izany, ary ho lasa mihoatra noho ny holy-roller iray izany. Lasa ho izany izy amin’ny tsirairay avy amintsika, sa tsy izany, ry sakaiza? Tsy andiana fanatisma iray izany. Izany dia miankina amin’ny hoe ao amin’ny tànan’iza ilay fitendrena. Ndao isika hivavaka.353 Rainay An-danitra, amin’ny alàlan’ny finoana androany no ahitako ny Tompon’ilay Boky tranainy, izay natakalon’izy ireo fombafomba. Natakalon’izy ireo anaram-piangonana Izany. Niezaka namadika an’Izany izy ireo. Ankehitriny izy ireo dia mamadika an’Izany ho—ho Fiombonambe Maneran-tany an’ny olona, an’ny fiangonana, lasa kominista, lasa athe. Mitohy ny lavanty, Tompo.354 Andriamanitra, mandrosoa! Azo antoka, fa handroso Ianao. Iraho ho anay io mpaminany io, Tompo, izay mandray an’ilay fitendrena, izay mandray an’ity Teny ity ka manaporofo fa Jesosy Kristy no tsy miova omaly, anio, ary mandrakizay. Maro, Tompo, no hivarotra ny ainy, hanipy an’ireo fombafomba tranainy izy ireo, hamotika an’ireo voaly izy ireo. Mila an’Izany izy ireo, Tompo. Hanome ny zavatra rehetra izy ireo, ny zavatra rehetra, hanome azy ireo fotsiny an’i Jesosy.355 Tompo, heveriko fa Ianao no efa nanaporofo an’Izany tamin’izy ireo ankehitriny. Avy tany rehetra tany izy ireo. Nandany ny fananany izy ireo. Nanao ny zavatra rehetra izy ireo, mba hiezaka ny ho tonga amin’ireo fivoriana, hanao izay rehetra vitany, satria nahita an’ilay Perla lafo vidy izy ireo. Ny zavatra hafa rehetra dia tena kely. Tahio izy ireo, Ray.356 Mipetraka eto amin’ity polipitra ity, izao maraina izao, Tompo, mipetraka ireo mosara. Ny sasany amin’izy ireo angamba dia tsy maintsy handeha androany, alohan’ny asam-panasitranana rahariva. O Andriamanitra Mandrakizay, miondreha. Fantatro fa eto Ianao, voasarona Ianao. Ary mandefa an’ireto voaly kely ireto aho, Tompo, antsoina hoe “mosara,” sy “aron’akanjo,” kely ary “kiraron-jaza” kely ho an’ireo zaza kely. Ary mandefa azy ireo aho ho voaly famantarana kely, fa voatory teo ambonin’izany ny Teninao izao maraina izao, ary, amin’ny maha-mpino iray, dia mametraka ny tànako eo amin’izy ireo aho, ny vatako, ho fampahafantarana iray fa mino an’Izany aho. Ary, amin’ny finoana, dia manao an’izany ihany koa ny tsirairay avy ato amin’ity tranobe ity, Tompo. Enga anie ho salama ny marary.357 Ianao dia afaka mikasika ny—ny Teny avy eto, Tompo, tahaka ny nanaovan’ilay mpitendry lokanga tranainy an’ilay

Page 70: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

70 NY TENY VOAMBARA

lokanga, dia ataovy toy izany koa ilay izy, Tompo. Ataovy mitendry an’ilay feon-kira marina izy, ny fitendrena eny an-tànan’ilay Tompo, avy eo dia ho hitanay Izy mitsangana miharihary.358 Toy ny ahoana no tsy maintsy noeritreretin’ireo olona ireo tamin’io andro io, rehefa tsy te-hanome na inona na inona izy ireo, rehefa tsy nanome na inona na inona ho an’ilay lokanga tranainy izy ireo. Tsy nilain’izy ireo izany. Tsy nila an’izany izy ireo tao an-tranony. Fa vantany vao noraisin’ilay anankiray izay afaka nahafehy azy izany, tamin’izay fotoana izay dia namidin’izy ireo ny zavatra rehetra izay nananany, mba hahazoana azy. Nifamaly sy niady an’izany izy ireo. Tara loatra ilay izy tamin’izany fotoana izany.359 Dia ho toy izany koa indray andro any rehefa ho tsofina ny Trompetran’ny Tompo, tsy hisy andro intsony. Ireo izay voajery sy nesoina, izay nitsangana teo anoloan’ilay voaly nisokatra ka nahita an’ilay Tenin’Andriamanitra voaseho (ireo hafa dia hikiakiaka ho an’Izany, saingy, araka ny Nolazainao hoe, “Ho tara loatra amin’izay fotoana izay”), niditra tao amin’ny Sakafon’ny Mpanambady izy ireo; fa ireo dia tavela tany ivelany izay nisy fitomaniana, fidradradradrana, ary fikotroha-nify.360 Ampio ny olona tsirairay mba hino, izao maraina izao, Ray; poteho ny voalin’ny fitiavan-tena rehetra, ny voalin’ny tsi-finoana rehetra, ka hahita an’ilay Mpandresy Mahery voaseho eo anatrehan’ireo mpino. Satria, “Indro, Aho momba anareo mandrakariva, hatramin’ny fahataperan’izao tontolo izao mihitsy aza. Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao, fa ianareo kosa no hahita Ahy.” Asehoy eo anivonay ny Tenanao, Tompo, tahaka ny efa Nataonao. Mijanòna ho tahaka an’izany foana mandra-pahatonganay ho hita maso eo Anatrehanao, rehefa novaina ilay en morphe ka lasa Zanak’olona indray Ianao, ary Zanak’i Davida. Ekeo izany, Tompo, amin’ny Anaran’i Jesosy Kristy. Raha mbola miondrika ny lohantsika, ny rehetra ao amin’ny vavaka.361 Manontany aho androany raha misy eto izay…ato anatiny na any ivelany. Tsy misy fomba hanaovana antso amin’ny alitara eto, satria tsy misy efitra. Fa manontany aho, am-pahatsorana, mino an’izao ho ny Fahamarinana ve ianareo? Mino ve ianareo fa ao amin’izao andro izay iainantsika izao, sy izao faharavana rehetra izao ary taona siantifika tahaka ny tamin’ny andron’i Noa, tamin’ny andron’i Mosesy, ny andron’i Kristy, ilay Andriamanitra, ilay Ray lehibe antsika rehetra izay nateraka tao Aminy, dia mitsangana eo anivontsika androany?362 Io Andry Afo hita maso izay voaporofo ara-tsiansa io, taona maro lasa izay, raha mbola zazalahy kely iray, no niresaka tamiko tany ary niteny tamiko fa hipetraka eo mihitsy aho, izay

Page 71: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

NY FANEHOANA AN’ANDRIAMANITRA 71

hiseho. Nolazaiko anareo ny amin’izany, ary avy eo Izany…Indray andro teo amin’ilay renirano, talohan’ny niandohan’ny asam-panompoana, fifohazana voalohany, dia niseho teny amin’ny lanitra Izy, nanondro ny Tenany ary nanome fanirahana. Nandritr’ireo taona ireo dia nafeniko tao anatin’ny foko izany, nanarona an’i Kristy, ilay Andry Afo iray ihany no nandika ny Teny, araka ny nampanantenaina. Ao amin’ny andro farany isika, ny Fihavian’ny Tompo mihitsy. Ary raha mahita ny tenanareo any ivelan’ilay voaly ianareo, fa fahafatesana ny mijanona any ivelany, ianareo ve amin’ny alàlan’ny finoana, izao maraina izao, hanao hoe, “Amin’ny fanampian’Andriamanitra. Ary miaraka amin’ny Fanampianao, Tompo, dia te-hamaky eo amin’io voaly io aho. Te-hiditra ao amin’izay misy Anao aho, hahita an’ilay Tenin’Andriamanitra feno”?363 Aza manandrana ny ho Mosesy iray. Aza manandrana ny ho Arona iray. Aza manandrana. Aoka fotsiny ho amin’izay maha-izy anareo, fa aoka ho Kristiana iray.364 Ianareo ve, miaraka amin’ny lohanareo miondrika, hanangana ny tànanareo amin’Andriamanitra, ka hanao hoe, “Tompo Andriamanitra, ampio aho ho ao anatin’ilay voaly”? Andriamanitra hitahy anao. Andriamanitra hitahy anao. Izany dia, jereo fotsiny ireo tànana!365 Ny any ivelany, tsarovy, mety tsy mahita ny tànanareo mihitsy aho. Izany dia tsy—tsy misy lanjany amiko ny mahita an’izany, na ahoana na ahoana; izany dia, Andriamanitra. Izany fotsiny, ho ahy, izany dia manao ahy hahita fa ilay—ilay Voa dia nilatsaka any ho any, ary, fa Andriamanitra no mahita an’ilay tena fo.366 Raha misy ny sasany izay tsy nanangana ny tànany, te-hanangana ankehitriny, dia atsangano ny tànanareo ary ho tsaroana am-bavaka. Atsangano ny tànanareo. Andriamanitra hitahy anao. Tsara izany. Andriamanitra hitahy anao.367 Ray, mivavaka izahay androany ho an’ireo, Tompo, izay tsy mbola any ambadik’ilay voaly. Mijoro any ivelany any izy ireo tahaka ny Isiraely; mandinika izy ireo. Mino izy ireo, saingy tsy mbola niditra tao amin’Izany izy ireo, mba hahita an’ilay Hazavan’i Shekinah lehibe, ara-panahy sy ara-batana, satria ny maso mekanikan’ilay fakan-tsary dia mitohy maka an’ilay sary; roa herinandro lasa mihitsy izay, nahazo Azy indray. Manambara ny Tenanao Ianao, Tompo, ilay Andriamanitra Mahery voaseho amin’ilay mpino; mbola voasarona ho an’ilay tsy mpino, fa voaseho kosa amin’ilay mpino. Enga anie izy ireo hamaky eo, androany, Tompo, hahita ny Fahatsarany lehibe sy Voninahitra. Enga anie ny fon’izy ireo hiova alohan’ny hiverenanay ato amin’ity fiangonana ity mihitsy aza rahariva. Enga anie izy rehetra ho feno ny Fanahinao, ny Fanatrehanao. Enga anie ilay Tompo haka an’io

Page 72: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

72 NY TENY VOAMBARA

finoana izay ananan’izy ireo io, hitondra an’izany hitety ny Teny; enga anie hiverina ilay feon-kira hoe, “Ianao dia efa voatendry, talohan’ny fanorenana an’izao tontolo izao, mba hino an’Izao. Minoa, ry Zanako, ary aoka ho voavonjy.”368 Ray, Andriamanitra, apetrakay eo an-Tànanao izy ireo ankehitriny, mahafantatra fa tsy misy na inona na inona azonay atao. Ao Aminao izany rehetra izany ankehitriny, Ray. Atolotro Anao izy ireo. Amin’ny Anaran’i Jesosy Kristy, Zanakao. Amena.

Tiako Izy, tiako IzySatria…nitia ahy mialohaKa nividy ny famonjekoTeo amin’ny hazon’i Kalvary.

369 Tianareo ve Izy? [Hoy ny fiangonana hoe, “Amena.”—Mpand.]Mahafinaritra, mahafinaritra, Jesosy amiko,Ilay Mpanolo-tsaina, Andrianan’ny

Fiadanana, Andriamanitra Mahery Izy;Mamonjy ahy Izy, miaro ahy amin’ny ota sy

henatra rehetra,Mahafinaritra ny Mpanavotro, deraina ny

Anarany!Very aho taloha, hita aho ankehitriny, afaka

amin’ny fanamelohana,Jesosy no manome ahy fahafahana sy

famonjena feno;Mamonjy ahy, miaro ahy amin’ny ota sy

henatra rehetra,Mahafinaritra ny Mpanavotro, deraina ny

Anarany!Oh, mahafinaritra, mahafinaritra, Jesosy

amiko,Ilay Mpanolo-tsaina, ilay Andrianan’ny

Fiadanana, ilay Andriamanitra Mahery Izy;Oh, mamonjy ahy, miaro ahy amin’ny ota sy

henatra rehetra,Mahafinaritra ny Mpanavotro, deraina ny

Anarany!370 Firy no mahita Azy mitsangana, ilay Mpandresy Mahery, ilay Teny tonga nofo, voaseho eo anatrehantsika; ilay Alfa, ilay Omega; Izay efa Izy, Izay Izy, ary Ho Avy; ilay Fototra sy Solofon’i Davida; dia ny Zanak’olona, Zanak’Andriamanitra, Zanak’olona, ary ho Zanak’i Davida? Mino an’Izany amin’ny fonareo rehetra ve ianareo? [Hoy ny fiangonana hoe, “Amena.”—Mpand.] Maneho ny Tenany ao amin’ny taona tsirairay, nentina eo amin’ilay mpino, manarona ny Tenany amin’ilay tsy mpino ao anatin’ny nofon’olombelona. Miafina ao ambadiky ny voaly iray Izy. Enga anie Andriamanitra hamotika ny voaly rehetra, dia hahita Azy amin’izay maha-izy Azy isika!

Page 73: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

NY FANEHOANA AN’ANDRIAMANITRA 73

Jesosy no manapaka ny rojon-gadra rehetra,Jesosy no manapaka ny rojon-gadra rehetra,Oh, Jesosy no manapaka ny rojon-gadra

rehetra,Rehefa manafaka anao Izy!

Any amin’ilay ilany hafa an’i Jordana,Ao amin’ireo saha mamy an’i EdenaIzay misy an’ilay Hazon’Aina mamony,Eo no misy fitsaharana ho ahy.

Jesosy no manapaka…

Te-hiampita an’i Jordana ve ianareo ankehitriny? Tsy efa ela loatra ve no tao amin’ilay an-efitra? Ndao isika hiditra ao amin’ireo teny fikasana!

Jesosy no manapaka ny rojon-gadra rehetra,Jesosy no manapaka ny rojon-gadra rehetra,Oh, rehefa manafaka anao Izy!

371 Ndao isika hanangana ny tànantsika ankehitriny.

Izaho mandrakariva, mandrakariva dia hidera Azy,

Izaho mandrakariva, mandrakariva dia hidera Azy,

Izaho mandrakariva, mandrakariva dia hidera Azy,

Satria manafaka ahy Izy!372 Amena! Tsy manao anareo hahatsapa ho tsara ve izany? [Hoy ny fiangonana hoe, “Amena.”—Mpand.] Oh, mahafinaritra toy ny ahoana! Mahafinaritra toy ny ahoana, sa tsy izany Izy, raha izany? Ndao isika hifandray tànana amin’ny hafa ankehitriny, hanao hoe:

Jesosy no manapaka ny rojon-gadra rehetra,Jesosy no manapaka ny rojon-gadra rehetra,Oh, Jesosy no manapaka ny rojon-gadra

rehetra, (Andriamanitra hitahy anao, rahalahy.)

Oh, ary manafaka anao Izy!Izaho mandrakariva, mandrakariva dia

hidera Azy, (ilay Andriamanitra Mahery)Izaho…(“Tsy miova omaly, anio, ary

mandrakizay,” manova ny Endriny fotsiny.)…hidera Azy,

Izaho mandrakariva, mandrakariva dia hidera Azy,

Satria Izy no (nanaisotra tamiko an’ireo fanekem-pinoana rehetra) nanao ahy…(mba hino ny Teniny).

Page 74: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

74 NY TENY VOAMBARA

373 Oh, tsy henonareo ve ny Lokangan’ilay Tompo mandeha mitety, ilay fitendrena manerana an’ity Teny ity? Izy no tsy miova omaly, anio!

Izaho mandrakariva, mandrakariva dia hidera Azy,

Izaho mandrakariva, mandrakariva dia hidera Azy,

Izaho…(Azy, ny Teny!)…mandrakariva, mandrakariva dia hidera Azy, (Inona no Nataony?)

Satria Izy no nanao (tao ambadik’ilay lamban’efitra) ahy ho afaka!

374 Deraina Andriamanitra! Tiako Izy. Tsy tianareo ve Izy? [Hoy ny fiangonana hoe, “Amena.”—Mpand.] Tsy avy any An-danitra ve izao? [“Amena.”] Tiako ireo toetran’ny Teny ireo, hitanareo, ilay Fanahy Masina fotsiny ao amin’ilay fanao malemy, manetry tena. Izaho—izaho dia tia an’Izany fotsiny. Oh, eritrereto fotsiny!

Any amin’ilay ilany hafa an’i Jordana, (manakaiky eo aho ankehitriny)

Ao amin’ilay mamy…(tsy mety maty) an’i Edena,…(Inona no ho hitako eo?)

Izay misy an’ilay Hazon’…(izay tao amin’ny sahan’i Edena) mamony,

Eo no misy fitsaharana ho ahy.375 Te-handeha ve ianareo? Izy no manapaka ny rojon-gadra rehetra.

Jesosy no manapaka (ny fombafomba rehetra) ny rojon-gadra rehetra,

Jesosy no manapaka ny rojon-gadra rehetra (ireo anaram-piangonana rehetra, ireo fanekem-pinoana rehetra),

Manapaka ny rojon-gadra rehetra,Ary manafaka anao Izy!

376 Deraina Andriamanitra! Tiako fotsiny Izy. Tsy mahagaga raha hoy Isaia hoe, “Izy no Mpanolo-tsaina, ilay Andrianan’ny Fiadanana, Ilay Andriamanitra Mahery, Ilay Rain’ny Mandrakizay, Mahagaga!”

Mahafinaritra, mahafinaritra, Jesosy amiko,Mpanolo-tsaina, Andrianan’ny Fiadanana,

ilay Andriamanitra Mahery Izy;Oh, mamonjy ahy, miaro ahy amin’ny ota sy

henatra rehetra,Mahafinaritra, ny Mpanavotro, deraina ny

Anarany!

Page 75: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

NY FANEHOANA AN’ANDRIAMANITRA 75

377 Oh, oadray! Manetsika ny foko izany. Mahafinaritra toy ny ahoana Izy! Lazaiko aminareo, tsy misy farany ny amin’Ity. Izany, niditra tao amin’Ity aho telopolo taona lasa izay, mahatsapa tahaka an’izany. Ary raha maharitra Izy, indray andro any dia hanakimpy ny masoko aho, handeha tahaka an’izay ihany aho. Amena!

Mahafinaritra, mahafinaritra, Jesosy amiko,Izy no Mpanolo-tsaina, Andrianan’ny

Fiadanako, Andriamanitra Mahery Izy;Mamonjy ahy Izy, miaro ahy amin’ny ota sy

henatra rehetra Izy,Mahafinaritra, ny Mpanavotro, deraina ny

Anarany!378 Azoko ajanona eto ny sisa amin’ny andro, ao amin’Izao. Hoy i Paoly hoe, “Raha mihira aho, dia hihira ao amin’ny Fanahy aho.” Ah-hah. “Raha mitory aho, dia hitory ao amin’ny Fanahy aho. Raha mandeha aho, dia handeha ao amin’ny Fanahy aho. Raha miresaka aho, dia hiresaka ao amin’ny Fanahy aho.” Aoka ny zavatra rehetra hatao amin’ny Teny sy ny Fanahy. Eny, tompoko. Amena! Izany no Fahamarinan’Andriamanitra rehetra.379 Mahita Azy aho, ilay Andriamanitra Mahery, voaseho. Mahita Azy aho manala an’ireo fanekem-pinoana, ireo anaram-piangonana; manala an’ireo—ireo mpisalasala, ireo fandaharam-pianarana, sy ny sisa; mandeha mandroso, mitsangana eo. Mihevitra ve ianareo fa afaka handresy Azy ireo fanekem-pinoana? Mihevitra ve ianareo fa afaka handresy Azy ireo anaram-piangonana? Mihevitra ve ianareo fa afaka mandresy Azy ilay Fiombonambe Maneran-tany? Nandresy ny zavatra rehetra Izy, nanapaka ny rojon-gadra rehetra, nandrovitra ny helo hisokatra; nanongotra ny tombokase, niditra tao amin’ilay Masina indrindra amin’ny masina; naneho ny Tenany tamintsika, ho ny Teny, ilay tsy miova omaly, anio, ary mandrakizay. Amena. Tiako Izy.380 Ankehitriny, mandra-pihaonantsika amin’ny tolak’andro, dia te-hanao zavatra anankiray isika, izany dia:

Raiso eo aminao ny Anaran’i Jesosy,Ry zanaky ny alahelo sy fahoriana;Hanome anao fifaliana sy fiononana Izany,Oh, raiso Izany na aiza na aiza alehanao.Anarana sarobidy, O tena mamy!Fanantenan’ny tany sy fifalian’ny Lanitra;Anarana sarobidy…(Hia, azoko izy ireo,

sahady.)…O tena mamy!Fanantenan’ny tany sy…

[Miresaka amin’ny olona eo amin’ny lampihazo Rahalahy Branham—Mpand.]

Page 76: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

76 NY TENY VOAMBARA

381 Raha miezaka maka fanahy anareo i Satana, hoe tsy mijery an’ilay zavatra marina ianareo, dia atoroy azy ny Teny tahaka ny nataon’i Jesosy. Hitanareo? Hitanareo? Amena!

Amin’ny Anaran’i Jesosy no hiondrehana,Miankohoka eo an-Tongony,Ho salorantsika Mpanjakan’ny mpanjaka any

An-danitra Izy,Rehefa tapitra ny diantsika.Anarana sarobidy, Anarana sarobidy!Fanantenan’ny tany sy fifalian’ny Lanitra;Anarana sarobidy, O tena mamy!Fanantenan’ny tany sy fifalian’ny Lanitra.

382 Hiditra i Billy, eo amin’ny enina ora eo, hizara an’ireo karatra fangataham-bavaka ho an’ireo izay te-hiditra ao amin’ilay laharam-bavaka. Heveriko fa tsaratsara amintsika ny manao an’izany. Tsy tokony hanao an’izany isika, saingy, misy vahoaka betsaka, dia tsaratsara amintsika ny manao an’izany, hitanareo.383 Ankehitriny tsarovy Izy! Ataovy ao an-tsainareo isan’andro Izy, ao am-ponareo. Na aiza na aiza alehanareo, hitanareo, ataovy ao an-tsainareo Jesosy.

Raiso ny Anaran’i Jesosy ho (henoy ankehitriny) eo aminao,

Ho ampinga amin’ny fandrika rehetra; (inona no mitranga?)

Rehefa miangona manodidina anao ireo fakam-panahy, (inona no tsy maintsy ataonareo?)

Bitsiho am-bavaka fotsiny io Anarana masina io.

Anarana sarobidy, Anarana sarobidy, O tena mamy!

Fanantenan’ny tany sy fifalian’ny Lanitra;Anarana sarobidy, O tena mamy!Fanantenan’ny tany sy fifalian’ny Lanitra.

384 Ndao isika hanondrika ny lohantsika ankehitriny. Hangataka ny pasitera aho raha ho avy izy ka hampirava ny mpanatrika. Rahalahy Neville, Andriamanitra hitahy anao, Rahalahy Neville.

Page 77: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

NY FANEHOA NA AN’ANDRIAMA NITRA MAG64-0614M

(The Unveiling Of God)

Ity Hafatr’i Rahalahy William Marrion Branham ity, izay notoriana tamin’ny Teny Anglisy ny Alahady maraina, 14 Jona, 1964, tao amin’ny Branham Tabernacle ao Jeffersonville, Indiana, U.S.A., dia nalaina avy tamin’ny horonam-peo ary natonta manontolo amin’ny Teny Anglisy. Ity fandikana amin’ny Teny Malagasy ity dia natonta sy nozarain’ny Voice Of God Recordings.

MALAGASY

©2015 VGR, ALL RIGHTS RESERVED

VOICE OF GOD RECORDINGSP.O. BOX 950, JEFFERSONVILLE, INDIANA 47131 U.S.A.

www.branham.org

Page 78: NY FANEHOANA AN’A NDRIAMANITRAdownload.branham.org/pdf/MAG/MAG64-0614M The Unveiling Of...ara-panahy, ka mahafantatra fa io fotoan’ny Fisehoany io dia tena akaiky, izany dia mameno

Filazana fahefan’ny tompon’ny boky

Tsy azo adika. Ity boky ity dia azo atao printy amin’ny fanaovam-printy ao an-trano ho an’ny fampiasana manokana na ho zaraina, tsy misy sarany, ho fitaovana iray hanaparitahana ny Filazantsaran’i Jesosy Kristy. Ity boky ity dia tsy azo amidy, na adika indray amin’ny refy lehibe, na alefa amin’ny siteweb iray, na tehirizina amin’ny fomba nisy nanesorana, na adika amin’ny fiteny hafa, na ampiasaina ho fangataham-bola raha tsy misy alàlana voasoratra mazava avy amin’ny Voice Of God Recordings®.

Ho an’ny fanazavana fanampiny na ho an’ny fitaovana hafa efa azo raisina, dia iangaviana hifandray amin’ny:

VOICE OF GOD RECORDINGSP.O. BOX 950, JEFFERSONVILLE, INDIANA 47131 U.S.A.

www.branham.org