Ny olona tsirairay dia tsy maintsy misafidy ny lalany eo amin'ny fiainana. Io lalana io dia mety...
If you can't read please download the document
Ny olona tsirairay dia tsy maintsy misafidy ny lalany eo amin'ny fiainana. Io lalana io dia mety hitondra na ho amin'ny fiainana mandrakizay na ho amin'ny
Ny olona tsirairay dia tsy maintsy misafidy ny lalany eo
amin'ny fiainana. Io lalana io dia mety hitondra na ho amin'ny
fiainana mandrakizay na ho amin'ny fahafatesana mandrakizay. Tena
ilaina ny Laln'Andriamanitra mba hahafantarana tsara ny fiafaran'ny
lalana tsirairay.
Slide 3
Anaka, tandremo ny didin-drainao, ary aza mahafoy ny
laln-dreninao. Afatory amin'ny fonao mandrakariva ireo, ary afehezo
eo am-bozonao. (Ohabolana 6:20-21) Afehezo eo amin'ny
rantsan-tananao izy, soraty ao amin'ny fonao tahaka ny amin'ny vato
fisaka izy. (Ohabolana 7:3) Tsy maintsy ao amintsika ny Lalna. Tsy
maintsy mifehy ny fihetseham-pontsika, ny eritrerintsika, ary ireo
antony manosika antsika hanao zavatra izy. AFATORY amin'ny fonao
IREO Tsy maintsy ho fananana sarobidy ho antsika ny Lalna. Izany
indrindra no tokony hanehoantsika fa tiantsika izy sady
hajaintsika. AFEHEZO eo am- bozonao IREO Tsy maintsy mifehy ny
asantsika ny Lalna. Ny asa tsirairay avy dia tokony hifanaraka
aminy. AFEHEZO eo amin'ny rantsan- tananao IZY Tsy maintsy
voasoratra ao am-pontsika ny Lalna (Jeremia 31:33), amin'izay dia
ho tsarovantsika izy sy ho saintsaintsika isan'andro. SORATY ao
amin'ny fonao tahaka ny amin'ny vato fisaka IZY
Slide 4
Raha mandeha ianao, dia hitari-dalana anao ireo; raha mandry
ianao, dia hiambina anao; ary raha mifoha ianao, dia hamelona
eritreritra anao. Fa jiro ny didy, ary fanazavana ny lalna, ary
lalan'aina ny anatra famaizana. (Ohabolana 6:22-23) Tandremo ny
didiko, dia ho velona ianao; ary tandremo toy ny anakandriamasonao
ny lalko. (Ohabolana 7:2)
Slide 5
Hiarovana anao amin'ny vehivavy ratsy fanahy, ary amin'ny
fandroboan'ny lelan'ny vehivavy janga. Aoka ny fonao tsy haniry ny
hatsaran-tarehiny; ary aoka tsy hahazo anao amin'ny hodimasony izy.
(Ohabolana 6:24-25) Manazava ny mahatonga ny olona iray
halaim-panahy hitsiriritra olona iray i Solomona. Mety ho amin'ny
fomba tsy mivantana sy tsy miharihary izany, ka tsy tsikaritra
akory fa efa alaim-panahy isika. Miteny teny feno fandokafana ilay
lehilahy na vehivavy mpaka fanahy. Mety hampiasa antony sy
fanazavana ara-pivavahana izy hanamarinany ny fanairany. Ny Lalna
sy ny fahatokiana amin'Andriamanitra irery ihany no afaka hihazona
izany fakam-panahy izany, tahaka ny ao amin'ny tantaran'i Josefa.
Tsy misy lehibe noho izaho raha amin'ity trano ity, ary tsy misy
zavatra narovany amiko afa-tsy ianao ihany, satria vadiny ianao ;
koa hataoko ahoana no hanao izany, ratsy lehibe izany KA HANOTA
AMIN'ANDRIAMANITRA? (Genesisy 39:9)
Slide 6
Tsy avelan'ny olona ho afa-maina ny mpangalatra, raha maka
zavatra hahavoky ny tenany izy, na dia noana aza; fa raha azo izy,
dia hampanoneriny fito heny ka hanome ny fananana rehetra ao
an-tranony. (Ohabolana 6:30-31) Indraindray ny fahotana dia toa
"rariny" na toa ota nohamarinina. Na izany aza, ny antony manosika
antsika dia tsy hanamarina velively ny fandikana ny
Laln'Andriamanitra. Ny fahotana iray dia mitarika ho amin'ny iray
hafa. Raha manamarina halatra kely iray isika, dia mety hiafara
amin'ny fanamarinana iray hafa lehibe kokoa, na lainga, na
hijangajanga mihintsy aza. Izay no mahatonga an'i Solomona
hanoratra indray momba ny fijangajangana (Ohabolana 6:32-35). Raha
tokony hosaziana ny olona iray mangalatra noho ny hanoanany, dia
hosaziana mihoatra noho izany koa ny olona iray mangalatra ny
hajan'ny olona iray hafa. Nitarika faharavana ara-tsaina tsy azo
amboarina intsony izy!
Slide 7
Ka dia nandeha nanaraka azy niaraka tamin'izay ilay zatovo,
tahaka ny omby entina hovonoina, ary tahaka ny adala hogadrana,
ambara-piboroaky ny lefom-pohy amin'ny atiny, ary tahaka ny vorona
mipaoka ny fandrika, fa tsy fantany hahafaty ny ainy izany.
(Ohabolana 7:22-23) Ka dia nandeha nanaraka azy niaraka tamin'izay
ilay zatovo, tahaka ny omby entina hovonoina, ary tahaka ny adala
hogadrana, ambara-piboroaky ny lefom-pohy amin'ny atiny, ary tahaka
ny vorona mipaoka ny fandrika, fa tsy fantany hahafaty ny ainy
izany. (Ohabolana 7:22-23) Mampitandrina antsika ny amin'ny ratsy i
Solomona amin'ny fampiasana fanoharan-teny ny amin'ilay vehivavy
janga. Ny fahotana dia "midina ho any amin'ny efi- tranon'ny
fahafatesana" (and. 27); mitarika ho amin'ny fahafatesana
mandrakizay ny fahotana. Kanefa dia impiry isika no mandia io
lalana io tahaka ny omby na ny vorona tsy misy fitandremana. Afaka
mizotra amin'ny iray amin'ireo lalana roa ireo isika: Ny lalana
voalohany dia mitondra ho amin'ny fiainana mandrakizay. Ny faharoa,
ho amin'ny fahafatesana mandrakizay. Iza no safidinao?
Slide 8
Ireo zavatra ireo dia ilaina fandinihana sy fieritreretana
lalina, ary fandraisana fanapahan-kevitra mifanaraka amin'ny
tari-dalana tsotra voaorina ao amin'ny Tenin'Andriamanitra. Izao no
fotoanan'ny fakam-panahy ho anao. Izao no fotoanan'ny fitsarana ho
anao. Hahajoro manoloana ny fahavalo ve ianao? Sa ve ianao
hametraka ny tenanao eo amin'ny toerana izay ahazoany mampiasa ny
heriny aminao? Fanontaniana mihatra aman'aina ho anao izany. Ny
Tompoa anie hanampy anao hahita ireo fandrik'i Satana, ka hiala
amin'izany ary hiatoraka amin'i Jesosy amin'ny fo sy fanahy sy
saina ary hery E.G.W. (Letters to Young Lovers, fizarana 4, pj.
84)