17
TARI-DALANA HO FAMPAHAFANTARANA NY SASANTSASANY AMIN’IREO BIBY HITA AO AMIN’NY TANDAVAN’ALA RANOMAFANA-ANDRINGITRA- IVOHIBE Mijasoa Andriamarovololona sy Julia Jones Sary avy amin’i Nick Garbutt, Frank Hawkins, Pete Morris, Miguel Vences ary Frank Glaw Novokarin’ny tetikasa Vokatry ny Ala miaraka amin’ny fanampian’ny Rufford Grants

TARI-DALANA HO FAMPAHAFANTARANA NY SASANTSASANY

  • Upload
    leanh

  • View
    234

  • Download
    9

Embed Size (px)

Citation preview

Page 1: TARI-DALANA HO FAMPAHAFANTARANA NY SASANTSASANY

TARI-DALANA HO FAMPAHAFANTARANA NYSASANTSASANY AMIN’IREO BIBY HITA AO AMIN’NY

TANDAVAN’ALA RANOMAFANA-ANDRINGITRA-IVOHIBE

Mijasoa Andriamarovololona sy Julia Jones

Sary avy amin’i Nick Garbutt, Frank Hawkins, Pete Morris, MiguelVences ary Frank Glaw

Novokarin’ny tetikasa Vokatry ny Ala miaraka amin’ny fanampian’nyRufford Grants

Page 2: TARI-DALANA HO FAMPAHAFANTARANA NY SASANTSASANY

TENY FAMPIDIRANA

Maro ireo antony maha zava-dehibe ny ala: ny ranon’orana milatsakaohatra dia hazoniny ka azontsika ampiasaina hanondrahana ny tanimbaryindray rehefa avy eo. Tsy vitsy amin’ireo ireo zavatra ilaintsika amin’nyfiainana andavanandro ihany koa no azontsika avy amin’ny ala. Anisan’izanyny volo (volotsangana), ny vakoana, ny tantely, ny orana izay hohanina naampiasaina ary mety hamidy mihitsy aza mba hahazoam-bola. Tsy ho antsikaihany anefa fa ireo ala manodidina antsika ireo, izay fampiasantsika sy nyrazamben-tsika, dia manana ny lanjany eran-tany indrindra koa. Tsy adinoamin’izany ireo biby sy zavamaniry izay tsy hita raha tsy ao. Ny varibolomenaohatra dia tsy misy afa-tsy ato amin’ity faritra misy antsika ity. Ny fisian’irenykarazam-biby miavaka ireny no anisan’ny manintona ny vahiny ho avy atỳ amintsika. Ny sasany dia tonga mba hijery sy hankafỳ fotsiny ny hakanton’ireny karazam-biby sy zavamaniry ireny. Ny sasany kosa dia tongamba handinika sy hamakafaka mihitsy. Ity taridalana ity dia hanampy anaohahalala ireo karazam-biby sasantsasany mampiavaka ity faritra ity.

Manao ahoana ny firafitr’itỳ boky itỳ

Isaky ny karazam-biby dia misy anarana maromaro omena: anaranaamin’ny teny Malagasy ny voalohany ary indraindray dia mety mananaanarana Malagasy maromaro ny biby iray. Ny manaraka dia anarana amin’nyteny Anglisy izay natao mavokely. Ary farany, dia ny anarany amin’ny tenyLatina izay nosoratana amin’ny loko manga. Ny anarana amin’ny teny Latina

no ampiasain’ny mpikaroka rehetra na Frantsay izy na Anglisy na Malagasyna avy amin’ny firenena rehetra, rehefa miresaka karazana. Mety ho samihafany anarana Malagasin’ny ankamaroan’ny biby, arakaraky ny faritra misy azy,ka nalahatra ny anarany maro ho an’ny karazany raha toa ka misy izany.Raha toa ka misy anarana hafa fampiasa amin’ny faritra misy anao, dia mbahilazao aminay mba ahafahana mampiditra izany amin’ny fanontanamanaraka an’ity boky ity.

Ny sasantsasany amin’ireo karazam-biby ireo dia efa tena vitsy(hamatra) tokoa ka atahorana ho lany tamingana mihitsy. Noho izany dia misylamina napetraky ny WCU (World Conservation Union), izay foibe eran-tanymisahana ny fiarovana ny zavamananaina, hamaritana ny toetoetry nykarazam-biby iray. Ireo biby tena atahorana ho lany tamingana dia nataonyhoe “critical” (Cr), manarakaraka azy ireo ny “endangered” (En) ary farany ny“vulnerable” (Vu). Ho an’ireo biby izay atahorana ho lany tamingana izany diahisy fanamarihana eo akaikiny na Cr na En na Vu arakaraka hamafin’ny lozamananontanona azy. Mety hahamarika ianao fa maro amin’ny biby izay hitaato anatin’ity boky ity no voamarika fa atahorana. Ny ankamaroan’ireo bibyireo mantsy dia tsy hita raha tsy amin’ny faritra tena kely ato anatin’nytandavan’ala, ka raha simba io ala io dia ho ringana ihany koa ireo biby ireo.Noho izany, zava-dehibe tokoa noho izany ny fiarovana ireo ala ireo arymanana andraikitra lehibe amin’izany ireo Vondron’Olona Ifotony mitantanany ala.

Page 3: TARI-DALANA HO FAMPAHAFANTARANA NY SASANTSASANY

Ny tandavan’ala Ranomafana-Andringitra

Be ny resaka mandeha ankehitriny momba ny maha zava-dehibe nytandavan’ala, izany hoe ny ala mampitohy ny valanjavaboaharim-pirenenaRanomafana sy Andringitra. Ny ankamaroan’ireo ala amin’ny ilany atsinananatokoa mantsy dia efa ripaka fa navadika ho tany fambolena. Kely dia kely sisatavela amin’ireo ala mando atỳ atsinanana ary saika nivangongo ao avokoa ireo harena voajanahary toy ny biby sy zavamaniry, ka mampitombo nyhasarobidin’izy ireo. Noho izany dia maro ireo mihevitra fa tokony hokajianaizy ireo mba ho lovan’ny taranaka any aoriana, hahazoan’izy ireo mahitaihany koa ireo harena ireo. Ny ankamaroan’ny biby fariparipatana atoanatin’ity boky ity dia mila ala mba ahafahany mivelona. Raha be loatra ny alasimba dia ho faty izy ireo ka tsy mba hahalala na hahita izany zava-tsoa izanyintsony ny zafintsika sy ny zafiafintsika. Miavaka tokoa ny tandavan’alaRanomafana-Andringitra noho ny fitohizan’ny ala maherin’ny 160 km. Zava-dehibe ny fisian’io tandavan’ala io satria misy karazam-biby izay mila toerana(ala) malalaka mba ivelomany sy ivezivezeny. Taloha dia lehibe kokoa itytandavan’ala ity ary tsapa ny fihenany tsikelikely. Noho izany dia tena zava-dehibe ny fiarovantsika ny ala kely tavela, raha toa ka tiantsika ny hiaro mbatsy ahalany tamingana ireo biby misy ao. Maro ireo fokonolona atỳ amin’nytandavan’ala ankehitriny no miha tafiditra lalina amin’ny fitantanana ny ala. Nysasany dia nametraka ny Vondron’Olona Ifotony (VOI) mba hitantana ny alaho an’ny tombontsoan’ny olona ankehitriny sy ny taranaka ho avy.

Page 4: TARI-DALANA HO FAMPAHAFANTARANA NY SASANTSASANY

IREO BIBY MAMPINONO

Mitera-batana ny biby mampinono ary manome nono ny zanany tahakany olombelona. Betsaka amin’izy ireo no tsy hita raha tsy eto Madagasikara.Ny malaza indrindra amin’ireny dia ny varika. Misy karazam-barika roa izaytsy hita na aiza na aiza eto ambonin’ny tany raha tsy ato anatin’nytandavan’ala. Ny ankamaroan’ireo anefa dia hazain’ny olona mba ataosakafo. Loza mananontanona izany satria maro ny karazana biby mampinonoizay tsy miteraka afa-tsy vitsy dia vitsy ao anatin’ny taona izany. Manampytrotraka izany ny fahasimban’ny ala izay toeram-ponenan’izy ireny.

Ireo karazan-trandraka

Trandraka, Common tenrec, Tenrececaudatus.

Ahitana azy na any anaty ala na any amin’nyhibohibo. Bibikely sy kankana no tena fihinany.Miteraka marobe tokoa izy ireo (hatranyamin’ny 31 in-dray mandeha) nefa nyankamaroany dia tsy velona. Manana nono 24ny renin-trandraka iray, ny azy no be indrindraamin’ny biby. Milevina sy matory izy ireomandrity ny ririnina

Sokina, Greater Hedgehog tenrec, Setifer

setosus

Tahaka ny trandraka ihany dia bibikely sykankana no foto-tsakafony. Misy tsilotsilony izymba ho fiarovany tsy ho hanin’ny biby hafa.Misy olona sasantsasany any amin’ny faritraRanomafana fady mihinana ity biby ity.

Sora, Lowland streaked tenrec,Hemicentetes semispinosus.

Mitovitovy amin’ny zana-tradraka izy saingy betsilony kokoa, nefa tsy manindrona ny tsilony.Tahaka ny sokina dia betsaka ny olona fadymihinana sora. Milevina sy matory ihany koaizy ireo mandr ity ny ririnina.

Voalavondrano, Aquatic tenrec,Limnogale mergulus, En.

Tsy arakaraky ny anarany fa tsy karazam-boalavo akory ny voalavorano fa karazanatrandraka. Tena mahay milomano tokoa izyireo ary sahona, orana ary bibikely any anatyrano no sakafony. Ranomafana syAndrambovato no roa amin’ireo toerana vitsyahitana azy ireo eran-tany.

Page 5: TARI-DALANA HO FAMPAHAFANTARANA NY SASANTSASANY

Ireo karazam-boalavo

Tsangiala, Voalavoala, Eastern RedForest Rat, Nesomys rufus

Mitovitovy amin’ny voalavo an-trano izy saingykelikely kokoa, sady manopy mena izy no tsyhita raha tsy any anaty ala. Miaina anyambany ravin-kazo any anaty ala izy arymihinana voan-kazo lò.

Ireo biby mpihinan-kena

Fanaloka, Arongana, Fanaloka, Fanaloka,Fossa fossana. Vu

Biby somary saron-kenatra izy ary tsy mivoakaraha tsy amin’ny alina. Biby madinidinikatahaka ny biby mampinono kelikely, vorona,biby mandady na sahona na bibikely hafa nosakafony.

Fosa, Fosa varika, Fosa, Cryptoproctaferox, En.

Atahoran’ny olona sasany ny fosa. Izy no bibympihinan-kena lehibe indrindra etoMadagasikara nefa sady kelikelymaivamaivana izy no tsy mbola re fa nihinanaolona. Tena mpihaza varika sy trandraka kosaanefa izy.

Vontsira, Ring-tailed Mongoose, Galidiaelegans, Vu.

Biby mpivoaka antoandro ny vontsira. Na diaafaka mianika hazo tsara izy dia hita mandehaamin’ny tany koa matetika. Mihinana voron-kely, atody, orana, bibylava, ankora sybibikely. Any anaty ala izy no tena mipetrakasaingy miakatra amin’ireo tanànamanamorona ala ihany indraindray.

Vontsira fotsy, Broad-striped Mongoose,Galidictis fasciata.

Sarotra dia sarotra ny mahita ity biby ity.Amin’ny alina izy no mivoaka ary somarymanalavidavitra olona. Biby mampinonomadinika (ohatra ny voalavo) sy bibikely nosakafony.

Page 6: TARI-DALANA HO FAMPAHAFANTARANA NY SASANTSASANY

Ny karazam-barika

Anakatsidina, Tsisidy, Brown MouseLemur, Microcebus rufus.

Karazam-barika madinika mpivoaka alina izyio. Homby ny felantanana iray izy. Voankazosy voninkazo ary bibikely no sakafony.Misitrika ao anaty lavakazo izy mandritra nyandro. Ny mampiavaka azy amin’ny varikarehetra dia sady hita eny amin’ny hibohibo izyno hita any anaty ala koa.

Tsitsihy, Matavy rambo, Greater DwarfLemur, Cheirogaleus major.

Mpivoaka alina ihany koa io karazana biby io.Mandritra ny fotoana mafana dia miremby kamanao izay hampatavy azy, matory kosaanefa no asany mandritra ny fotoanan’nyririnina ka ny hatavizana azony io noivelomany mandrapahatongan’ny fotoanamafana manaraka.

Kotreka, Trangalavaka, Sportive lemur,Lepilemur microdon.

Mandehandeha izy amin’ny alina fa mipetrakaany anaty lavakazo kosa izy amin’nyantoandro. Mpihinana ravinkazo, voankazo aryvoninkazo. Mandeha irery izy matetika.Mitovitovy amin’ny Avahy izy saingy tsy misyfotsifotsy amin’ny feny.

Varibolomena, Golden Bamboo Lemur,Hapalemur aureus, CR.

Isan’ny biby tena mampiavaka ny tandavan’alany varibolomena. Betsaka ireo mpizahatanyno tonga avy any amin’ny toerana lavitrahizaha sy hijery azy. Toerana vitsy dia vitsyato anatin’ny tandavan’ala ihany no ahitanaazy ireo. Tamin'ny taona 1986 no hitan’nyvahiny voalohany izy io. Mazava loatra anefafa efa ela no nahafantaran’ny mponina nyfisiany. Volohosy kosa no tena sakafony.

Page 7: TARI-DALANA HO FAMPAHAFANTARANA NY SASANTSASANY

Varibolo lehibe, Greater bamboo lemur,Hapalemur simus, CR.

Lehibebe kokoa noho ny varibolo syvaribolomena ny varibolobe ary misy volomatevina mivoaka avy ao anaty sofiny ary iono mampiavaka azy. Volohosy ihany koa notena sakafony ary saika tsy hita izy raha tsyamin’ny ala mainty mbola matevina atoanatin’ny tandavan’ala. Mitovy amin’nyVaribolomena ity karazam-barika ity. Fantatrafa toerana vitsy dia vitsy eran’izao tontolo izaono ahitana azy kanefa ao amin’nytandavan’ala no misy azy ireo.

Varibolo madinika, Grey Bamboo Lemur,Hapalemur griseus.

Ny varibolo no kely indrindra amin’ireo varikampivoaka antoandro. Volo no foto-tsakafonyary tiany kokoa ny tsiriny sy ny atin’ny vatany.Tsy tahaka ireo karazam-barika roa teoambony fa hita aty amin’ny ala atsinananarehetra ny varibolo.

Varkia mena, Barimaso, Varimoty, Red-bellied Lemur, Eulemur rubriventer, Vu.

Mpivoaka antoandro izy ireo ary mandehaandiany 2 ka hatramin’ny 6. Miavaka tsara nylahy sy ny vavy satria matevina kokoa ny fotsyeo ambany mason’ny lahy noho ny an’ny vavy.Voankazo sy bibikely no sakafony ary tenatiany tokoa ny goavintsinahy.

Varika mavo, Red-fronted Brown Lemur,Eulemur fulvus rufus.

Karazam-barika fahita matetika aty amin’nytandavan’ala. Mpivoaka antoandro arymandeha andiany, mety mahatratra hatranyamin’ny 18 ny andiany iray. Voankazo, ravin-kazo ary bibikely no sakafony.

Page 8: TARI-DALANA HO FAMPAHAFANTARANA NY SASANTSASANY

Varijatsy, Black-and-White Ruffed Lemur,Varecia variegate, EN

Mpivoaka antoandro ny varijatsy ary mihinanavoankazo na mamim-bony (indrindra fa nyan’ny ravinala). Karazam-barika be tabatabaizy ary matetika no re ny feony na dia tsy hitaaza izy. Anisan’ny olana sy lozamananontanona azy ireo ny fihazan’ny olonaazy atao sakafo.

Avahy, Fotsife, Fotsifaka, Eastern Avahi,Avahi laniger.

Karazam-barika mpivoaka alina mandehaandiany ny fotsife ka mpivady avokoa no hitaao amin’ny andiany. Misitrika anaty ravin-kazoizy ireo amin’ny antoandro ary mivangongomiaraka. Ny sasany amin’ny olona dia fadymihinana azy.

Simpona, Milne-Edwards Sifaka,Propithecus diadema edwardsi , EN.

Varika lehibe izy. Miloko mainty izy afa-tsy nyvodiny izay miloko fotsy. Mandeha andiany 3ka hatramin’ny 9. Mihinana ravin-kazo,voankazo ary voninkazo. Ato anatin’nytandavan’ala ihany no ahitana ny simpona.Betsaka ny olona fady mihinana azy satriamino fa ny fanahin’ny razana taloha no aoanatiny ary tenan’ny olona efa maty izy ireo.

Hay-hay, Ahay, Aye-Aye, Daubentoniamadagascariensis, En.

Hatramin’izay, raha tsy vao vetivety tato hoato, dia nolazaina fa faritra kely any avaratraatsinanan’i Madagasikara ihany no misy Hay-Hay. Voaporofo anefa fa miparitaka kokoa izyireo saingy ny toetrany tia misitritsitrika nomahasarotra ny fahitana azy. Amin’ny alina izyno mivoaka ary bibikely, mamimbony aryholatra sasantsasany no sakafony. Voalazakoa fa miakatra an-tànana izy ireo mihinanamanga sy lietchis indraindray.

Page 9: TARI-DALANA HO FAMPAHAFANTARANA NY SASANTSASANY

NY VORONA

Maro ireo vorona izay hita ato anatin’ny tandavan’ala ary ny sasanyamin’izy ireo dia tsy hita raha tsy ato amin’ity faritra ity. Anisan’izany ohatra nyManganahitra (slender-billed flufftail). Vitsivitsy ihany ireo azonay nampidirinaato amin’ity boky ity. Amin’ny karazam-borona sasantasany dia miavaka nylahy sy ny vavy. Maderadera kokoa ny lokon’ny lahy mba hanintonana nyvavy.

Vivy, Madagascar Little Grebe, Tachybaptuspelzelnii , Vu.

Ity voron-drano kely ity dia hita eny amin’nytamboho amoron-drano misy zava-maniry. Misyroa karazana mitovitovy ireo Vivy hita atyamin’ny tandavan’ala ireo, ny karazana izaytena efa hamatra io hitan-tsika amin’ny sary io.Ny mampiavaka azy moa dia tsy dia milokomena ny tarehiny ary tsy miloko mavo nyvavany. Nisy karazana fahatelo mitovitovyamin’io voron-drano io moa dia hita any amin’nyfarihin’Alaotra fa saingy efa lany tamingana.

Akohon’ala, Akoholahy ala, MadagascarCrested ibis, Lophotibis cristata.

Tsara tarehy sady lehibe ny akohon’ala.Matetika izy no mandeha mitady sakafo amin’nytany saingy manidina izy rehefa voakotaba.Maro ny olona fady mihinana azy, indrindra anyamin’ny faritra Ambohimiera any avaratr’iRanomafana.

Angaka, Akaka, Meller’s Duck, Anasmelleri , En.

Hita aty amin’ny ankamaroan’ny faritraatsinanana izy ireo saingy efa vitsivitsy ihany.Rano any anaty ala no tena misy azy fa saingyhita miremby eny amin’ny tanimbary koa izyindraindray. Ny fihazana fanao sakafo no tenaantony iray mety maha tadindomin-doza azy.

Fihiaka, Fandrasalambo, MadagascarSerpent Eagle, Eutrirchis astur.

Vorona lehibe izy ary mpihaza, volontany nylokony ary tsy hita raha tsy any anaty ala. Efavitsy dia vitsy izy ireo ankehitriny ary tsy azoantoka loatra ny ahitana azy na tsia ato amin’nytandavan’ala. Vorona misitrisitrika ary sarotrahita saingy miavaka kosa ny feony.

Page 10: TARI-DALANA HO FAMPAHAFANTARANA NY SASANTSASANY

Roatelo, Brown Mesite, M esitornis unicolor,Vu.

Mety ho hita aty amin’ny ala atsinanana rehetraizy saingy tsy dia be loatra. Mandeha tsirairayna tsiroaroa mitady ny sakafony amin’ny tany(any anaty ala). Iray amin’ireo voronamampiavaka an’i Madagasikara izy io satria diatsy misy karazam-pianankaviana mitovy aminyeran’izao tontolo izao.

Manganahitra, Kelimanganahitsa,Slender-billed Flufftail, Sarothrura watersi ,En.

Toerana vitsy dia vitsy eto ambonin’ny tany noahitana io karazam-borona io ary nyankamaroany dia ato amin’ny tandavan’ala.Honahona amoron’ala no ahitana azy.Mampatahotra ho azy ireo ny fitondran’ny olonaamboa mihaza trandraka any anaty ala. Nyfamadihan’ny olona ny toeram-ponenany hotanimbary ihany koa dia isan’ny lozamanambana ity karazam-borona ity.

Fony, Finengo, Madagascar Blue Pigeon,Alectroenas madagascariensis.

Vorona mihinana voankazo any anaty ala.Matetika hita mandeha andiany vitisvitsymihinana voankazo izy ireo. Rehefa manidinaizy dia hita ny loko mena mamiratra ao ambanyrambony. A min’ny faritra maro dia hazain’nyolona atao sakafo izy.

Fonimaitso, Finengomavo, MadagascarGreen Pigeon, Treron australis.

Karazana domohina hita saika amin’ny alarehetra ankoatra ny toerana tena avo izy. Fahitamatetika aty amin’ny tandavan’ala izy ireo.Voankazo no fihinany. Mitovy amin’ny karazanaeo ambony dia matetika hazaina hatao sakafokoa izy.

Sarivazo, Kitreoky, Grey-headed Lovebird,Agapornis cana.

Vorona kely mandeha tsiroaroa matetika kanahazoany ny anarany amin’ny teny anglisy hoe‘vorona mpifankatia’. Tsy dia hita matetika aoanaty ala loatra io karazana io, fa saingy hitakosa manodidina ny toerana amoron-tanana.

Page 11: TARI-DALANA HO FAMPAHAFANTARANA NY SASANTSASANY

Kakafotra, Taotao-kafa, MadagascarLesser Cuckoo, Cuculus rochii .

Ity vorona ity dia miala an’ny Madagasikara arymankany Afrika isan-taona, miverina izy nySeptembra na Octobra iny mba hana-taranaka.Ny fisiotsiok’ity vorona ity dia milaza ny fidiranaamin’ny fahavaratra ary fotoana fanomboana nyfiasana tanim-bary. Vorona tsy mba mikotrikaizy fa afeniny any anaty atodim-borona hafaizay mikotrika ny atodiny ary avelany ho ilayvorona no mamelona ny zanany.

Taitso, Taitso manga, Blue Coua, Couacaerulea.

Vorona fahita matetika any amin’ny ala mandosy moron’ala. Ny feony dia sady mafy nomiavaka. Mampiavaka azy ihany koa nyvolon’elany sy ny faritra manga mahafinaritra eoamin’ny masony. Ny lalitra madinika sy ny bibykely mandady ary voankazo no sakafony.

Taitoka, Fandikalalana, Koa, Red-FrontedCoua, Coua reynaudii .

Sady mandeha amin’ny tany izy ireo nomipetraka eny ambony hazo ihany koa.Kankana, bibikely ary tanalahy madinika nosakafony. Tena hazain’ny olona atao sakafotokoa ny taitoka sy ny taitso ka efa mihavitsy diamihavitsy amin’ny faritra maro.

Toloho, Madagascar Coucal, Centropustoulou.

Tena mpihira ity karazana iray ity, indrindra nymaraina vao mangiran-dratsy iny ary henon’nytanana manodidina rehetra ny horakorakaataony avy any anaty lalina any. Hita maneranaan’ny Madagasikara izy amin’ny toerana misyzava-maniry akaiky ala ireny na amin’nykirihitr’ala.

Vintsy ala, Vorom-bola Madagascar PygmyKingfisher, Ispidina madagascariensis.

Matetika izy no mandeha irery. Izany angambano nahatonga ny anarany hoe ‘vintsy’. Hitasaika eran’i Madagasikara ny vintsy ala.Manamboatra lavaka anaovan’ny trano amin’nysisin’ny moron-lalana izy. Karazam-biby tsymisy taolany sy ireny tanalahy madinika arysahona no sakafony.

Page 12: TARI-DALANA HO FAMPAHAFANTARANA NY SASANTSASANY

Tsikirikirioka, Kirioke, Madagascar Bee-Eater, M erops superciliosus.

Ity vorona tsara tarehy ity dia hita matetikamandeha andiany maromaro, mitsimpona irenybibikely manidina eny antendron-kazo irenymidina tampoka izy mihinana azy ary miverinamaka ny toerana fitazanany indray. Izy diavorona mora fantarina amin’ny alalan’ny feoavoakany rehefa iny manidina iny izy.

Harakaraka, Broad-Billed Roller,Eurystomus glaucurus.

Toy ny Kakofatra, ity vorona ity dia miala an’nyMadagasikara ary mankany Afrika isan-taona,miverina izy ny Septembra na Octobra iny mbahana-taranaka. Saika hita manerana ny nosy izyka amin’ireny toerana tsy lavitra tanana kanefatsy any anaty ala no tena ahitana azy.

Vorondreo, Kirombo, Reoreo, MadagascarCuckoo-Roller, Leptosomus discolour.

Manana feo miavaka ihany koa ny Vorondreo.Matetika izy no sady maneno no manidina: namanodidina ny tendron’ala na rehefa mipetrakaeny ambony hazo. Izany fanenony izany noiarovany ny faritra misy azy sady iantsoanynamana na vady ihany koa. Voankazo, tanalahysy sahona no sakafony.

Sakoka, Tsakoko, Pitta-like Ground-Roller,Atelornis pittoides.

Vorona mareva-doko ny sakoka.Mandehandeha amin’ny tany any anaty alambola matevina no matetika ahitana azy.Apetrany any afaran’ny lavaka any ambanin’nytany any ny atodiny ary izay angamba noantony hiantsoana azy hoe Vorona trandrakaamin’ny faritra sasantsasany.

Famakiakora, Sareky, Short-leggedGround-Roller, Brachypteracias leptosomus,Vu.

Ny ala mainty tsy mbola voaelingelina ihany noahitana azy ireo. Mitady bibikely any ambanyravin-kazo izy ataony sakafo. Sarotra hita izynefa raha mahalala ny feony dia izay nomanampy hitadiavana azy.

Page 13: TARI-DALANA HO FAMPAHAFANTARANA NY SASANTSASANY

Fangadiovy, Sareky, Scaly Ground-Roller,Brachypteracias squamiger, Vu.

Mitovy amin’ny karazana eo ambony dia tsyhita raha tsy amin’ny ala tsy mbolavoakorontana amin’iny tandavan’ala iny itykarazana iray ity ary sarotra hita izy nefa rahamahalala ny feony dia azo atao ny mamantatraazy. Ny tongony lava miloko mavokely no tenamampiavaka azy. Akotriny any anaty lavaka anyambanin’ny tany ny atodiny.

Zafin-drasity, Asity, Soilandy, Yellow-bellied Sunbird-Asity, Neodrepanishypoxantha.

Mitovitovy amin’ny Anjohy manga izy saingy tsyhita afa-tsy any anaty ala. Somary lehibebe koaizy mihoatra amin’ny Anjohy manga. Misy roany karazana Asity hita any amin’inytandavan’ala iny ary hita fa tsy misyfahasamihafana tokoa izy ireo. Ny iray asehoamin’ny sary dia tsy fahita loatra. Ny loko mavomanjelatra amin’ny kibony no mampiavaka azy.

Asity, Velvet Asity, Philepitta castanea.

Mainty no lokon’ny vatan’ ny lahy misymisoratra maintso mamiratra eo ambonymasony ary volontany matroka ny vavy.Matetika izy no mandeha andiany miarakaamin’ny karazam-borona hafa.

Fitatrala, Madagascar Magpie Robin,Copsychus albospecularis.

Vorona fahita matetika izy, manana feo mangaary fantatry ny mponina manamorona ala tsara.Ireny bibikely ireny sy voankazo madinika notena sakafony. Mainty sy fotsy ny lokon’ny lahyary mavo antitra ny lokon’ny vavy.

Pasasatra, Chabert’s Vanga, Leptopteruschabert.

Tena miavaka ity karazam-borona ity noho nymanodidina ny masony izay miloko mangamamiratra. Matetika izy no hita anaty alan-kafeakaiky tanàna nefa mety ho hita any anaty alaihany koa.

Page 14: TARI-DALANA HO FAMPAHAFANTARANA NY SASANTSASANY

Pasasatrala, Madagascar Blue Vanga,

Cyanolanius madagascariensis.

Manana loko manga mamiratra ny lahy (elatrasy rambo), somary matromatroka kosa ny vavy.Matetika izy no hita andiany miara-mihinanaamin’ny karazam-borona hafa.

Vanga mena, Rufous vanga, Schetba rufa.

Ity karazana vanga ity dia manana karazana feomaro no tsara ary manana fomba miavakamanapoapoaka vava izay izy ka manome feomafy. Hita amin’ny ala ambany izy (hatranyamin’ny valonjato metatra) raha ny ala tsymbola voaelingelin’ny tevy ala na tavy.Karazam-biby kely sy tanalahy sy sahonamadinka no sakafony.

Vanga soratra, Poapoabava, Hook-billedvanga, Vanga curvirostris.

Toy ny Vanga mena, manana fomba miavakamanapoapoaka vava izay izy ka manome feomafy. Sarotra hita izy raha tsy heno ny feony.Ity vanga ity dia hita any anaty ala ary im-betsaka amin’ireny toerana mihasimban’ny volyna kirihitr’ala ireny. Mihaza ireny karazam-bibikely somary ngeza vatana ary karazam-bibymadinika misy taolana toy ireny tanalahy.

Mokazavana mavo, Ashy Cukcoo-shrike,Coracina cinerea.

Volondavenona ny lokony amin’ny ankapobenyary fahita matetika any anaty ala, eny na diaany amin’ny sisin’ny ala aza. Bibikely nosakafony.

Railovy, Crested Drongo, Dicrurusfortificatus.

Fantatry ny olona monina amoron’ala tsara anyny railovy. Hita eny ivelany sy any anaty ala izy.Manana feo samy hafa izy ary mahay mangalatahaka feom-borona hafa. Mif indrafindra enyambony hazo izy mitily bibikely, maka izany diamiverina mitily indray.

Page 15: TARI-DALANA HO FAMPAHAFANTARANA NY SASANTSASANY

NY KARAZAN-TANA SY SAHONA.

Maro dia maro ireo karazan-tana sy sahona hita ato amin’nytandavan’ala saingy vitsy dia vitsy amin’izy ireo ihany no tafiditra ato anatin’itytaridalana ity. Ny fanondrananan’olona azy any ivelany dia mety ho lozamananotanona satria ho lany taringana ny biby. Any ivelany tsy misy dia nyolona any dia te hanana hiompy azy. Ny fisamboran’ny olona azy haondranaany ivelany mba ataon’ny olona biby hotazaina (toy ny alika sy ny saka) dialoza mananotanona ireo biby ireo.

Anakova, Sahona maroloko, Mantellamadagascariensis. Vu.

Sahona kely mareva-doko hita indrindraamin’ny tany anaty ala, manamorona reniranolehibe. Io lokony mamiratra io nohampitandremany ny fahavalony fa tsy tsarahohanina izy satria misy poizina. Loza ho azyireo ny fahasimban’ny toeram-ponenany syny fisamboran’ny olona azy haondrana anyivelany.

Sahona tolongoina, Mantella bernhardi ,En.

Isan’ny mampiavaka ny tandavan’ala iokarazan-tsahona io satria dia Tolongoinaaloha no toerana fantatra fa ahitana azyhatramin’izao. Tato ho ato dia re fa ahitanaazy koa manodidina an’i Ranomafana sytoerana sasantsasany. Mampatahotra nyfisamboran’ny olona azy.

Sahona vakoana, Mandtidactyluspulcher.

Ity sahona tsara tarehy ity dia tsy hita raha tsyao anaty ravina vakoana. Ny vakoana anefadia trandrahan’ny olona indrindra amin’inytandavan’ala iny. Mety maharitra izanyfitrandrahana izany amin’ny toerana sasanykanefa amin’ny toerana sasany misy ireompitrandraka manapaka ny vololony diasimba ilay zava-maniry.

Dona, Do, Mandotra, Sanziniamadagascariensis, Vu.

Karazana bibilava lehibe izay hita any anatyala na eny amoron’ala ny Mandotra. Voalavosy trandraka no sakafony. Tsy mampidi-dozaho an’ny olona mihitsy ny mandotra,manampy antsika hiady amin’ny voalavo azaizy ireny.

Page 16: TARI-DALANA HO FAMPAHAFANTARANA NY SASANTSASANY

Tanalahy, Furcifer lateralis.

Iray amin’ireo tanalahy hita ato amin’nytandavan’ala izy ity. Tahaka ny tanalahyrehetra dia bibikely na sahona kely nosakafony. Samboriny amin’iny lelany lavasady madididity iny ny hazany dia tonga diaarapany. Taloha dia noheverin’ny olona fa tsymihinan-kanina izy ireo satria tsy hitanymihitsy ny hisamborany haza amin’iny lelanyiny fa malaky loatra.

Tapamaly, Calumma parsonii.

Ny tapamaly angamba no lehibe indrindraamin’ireo karazan-tana hita eto Madagasikarasatria dia mety hahatratra 60 cm ny halavany.Mipetraka amin’ny rantsakazo any anaty alaizy ireo. Mora hita kokoa izy amin’ny alinarehefa matroka iny ny lokony ka fotsifotsysisa no ahitana azy.

Ravinahidatsaka, Brokesia sp.

Karazan-tana kely dia kely ny ravindatsaka.Hainy tokoa ny manahaka ny ravinkazomaina ary mitambatra amin’ny ravin-kazoamin’ny tany matetika no ahitana azy.

Tahandraikitra, Uroplatus sp.

Mahavariana tokoa ny tahandraikitra.Sarotsarotra ihany ny mahita azy satria diatena mitovy dia mitovy amin’ny hazo izayiraiketany izy ireo. Raha voakotaba izy diasokafany ngezabe ny vavany hampiseho nyati-vavany mena dia mena mbahampatahotra ny fahavalony.

Antsatsaka, Phelsuma sp.

Maro ireo karazana antsatsaka hita etoMadagasikara. Ny ankamaroan’ nykarazan’antsatsaka hita aty amin’ny alamando dia maintso mamiratra misy mifaritramena sy/na mainty. Mpivoaka antoandro ireoantsatsaka ireo ary fahita matetika. Nykarazany sasany dia mila ala mba ivelomany,ny sasany kosa dia tsy mila.

Page 17: TARI-DALANA HO FAMPAHAFANTARANA NY SASANTSASANY

Ny fanatontosana ity boky ity dia hevitra avy amin’ny COBA(Vondron’Olona Ifotony) Andrambovato. Isaorana ihany koa ny COBAAmbalavero sy ny mponina ao Vohiparara sy Bevoahazo izay nanampytamin’ny fanatontosana. Isaorana koa ary tetikasa Vokatry ny Ala indrindraFortunat Andriahajaina sy Jean Randriamboahary. Isaorana manokanaetoana ny ANGAP Ranomafana, Andriamatoa Emile Rajeriarison(Ambatolahy, Ranomafana) sy Andriamatoa Jean-ClaudeRazafimahaimodison (Centre Valbio) tamin’ny fanomezana fanampim-panazavana mikasika ity boky ity.

Mankasitraka indrindra an’i Nick Garbutt, Frank Hawkins, Pete Morris,Miguel Vences ary Frank Glaw izay nanome sary handravahana ity boky ity.Ny ankamaroan’ny famariparitana ato anatin’ity boky ity dia notsoahina avytamin’ny boky amin’ny teny anglisy nosoratan’i Nick Garbutt, Frank Glaw syMiguel Vences ary Frank Hawkins sy Pete Morris. Isaorana koa ny ERI(Fianarantsoa), CI Madagascar ary ny Jariala (Fianarantsoa) tamin’nyfanohanana ny fampiroboroboana sy ny fanontana ity boky ity.

Raha te-hifandray aminay dia ity ny adiresy:

Vokatry ny Ala, BP 1067, Fianarantsoa 301, Madagasikara,[email protected] na [email protected]