157
TARANJA FOTOTRA HO AN’NY FILOHA MPITARIKA Ny anarana Filoha Mpitarika dia natao voalohany indrindra ho an’ireo izay maniry ho tonga mpandray anjara mavitrika ao amin’ny sampana tanoran’ny fiangonana eo an-toerana. Afaka mandray anjara amin’ity fianarana ity avokoa ny olona ao amin’ny sokajin-taona ka mahafeno ny fepetra rehetra hahazoana miditra ho mambra ary manana faniriana hiasa ao amin’ny sampana tanora. Ny mpandray anjara dia tsy maintsy mahavita ity fianarana ity ao anatin’ny telo taona manomboka amin’ny daty fanombohana. Rehefa mahafeno ny fepetra iray dia soniavina ary asiana daty ka raha misy sonia iray mihoatra ny telo taona dia averina izany taranja izany. Tanjona Mba hahafahan’ny mpandray anjara hivelatra eo amin’ny fahalalana ny andraikiny amin’ny maha mpitarika ankizy na/sy tanora azy ary hahatonga azy ireo ho vonona tsara handray ny andraikiny rehefa mahavita ireto fiofanana manaraka ireto : Fitomboana ara-batana sy ara-panahy Fivelarana eo amin’ny fahaiza-manao Fitomboana eo amin’ny fitarihana Fananana fomba fiainana mendrika Fepetra fototra hidirana ho mambra 16 taona fara-fahakeliny Satria moa tanora zokiny avokoa ny ankamaroan’ny mpandray anjara amin’ity fiofanan’ny Filoha Mpitarika ity, mazava ho azy izany fa kilasy manarakaraka ny kilasin’ny Mpitarika ity lesona ity (Guide). Noho izany dia misokatra ho an’ireo feno 16 taona izay efa nahavita ny kilasim-pandrosoana tao amin’ny sampana mpisavalalana izany raha toa ka maniry ny mbola hanohy ny fampivelarana kokoa ny fahaiza-manaony sy ny faniriany ho anisan’ny mambran’ny komity mpitarika ny klioba izy amin’ny fanarahany ny fiofanana ho an’ny mpitarika tanora na ny mitovitovy amin’izany. 1

TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

  • Upload
    vucong

  • View
    247

  • Download
    0

Embed Size (px)

Citation preview

Page 1: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

TARANJA FOTOTRA HO AN’NY FILOHA MPITARIKA

Ny anarana Filoha Mpitarika dia natao voalohany indrindra ho an’ireo izay maniry ho tonga mpandray anjara mavitrika ao amin’ny sampana tanoran’ny fiangonana eo an-toerana. Afaka mandray anjara amin’ity fianarana ity avokoa ny olona ao amin’ny sokajin-taona ka mahafeno ny fepetra rehetra hahazoana miditra ho mambra ary manana faniriana hiasa ao amin’ny sampana tanora. Ny mpandray anjara dia tsy maintsy mahavita ity fianarana ity ao anatin’ny telo taona manomboka amin’ny daty fanombohana. Rehefa mahafeno ny fepetra iray dia soniavina ary asiana daty ka raha misy sonia iray mihoatra ny telo taona dia averina izany taranja izany.

Tanjona

Mba hahafahan’ny mpandray anjara hivelatra eo amin’ny fahalalana ny andraikiny amin’ny maha mpitarika ankizy na/sy tanora azy ary hahatonga azy ireo ho vonona tsara handray ny andraikiny rehefa mahavita ireto fiofanana manaraka ireto :

Fitomboana ara-batana sy ara-panahyFivelarana eo amin’ny fahaiza-manaoFitomboana eo amin’ny fitarihanaFananana fomba fiainana mendrika

Fepetra fototra hidirana ho mambra

16 taona fara-fahakeliny

Satria moa tanora zokiny avokoa ny ankamaroan’ny mpandray anjara amin’ity fiofanan’ny Filoha Mpitarika ity, mazava ho azy izany fa kilasy manarakaraka ny kilasin’ny Mpitarika ity lesona ity (Guide). Noho izany dia misokatra ho an’ireo feno 16 taona izay efa nahavita ny kilasim-pandrosoana tao amin’ny sampana mpisavalalana izany raha toa ka maniry ny mbola hanohy ny fampivelarana kokoa ny fahaiza-manaony sy ny faniriany ho anisan’ny mambran’ny komity mpitarika ny klioba izy amin’ny fanarahany ny fiofanana ho an’ny mpitarika tanora na ny mitovitovy amin’izany.

Mambra vita batisa ao amin’ny fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito

Ny (taranja) kilasin’ny Filoha Mpitarika no ambony indrindra eo amin’ny fitarihana tanora eo amin’ny fiangonana. Noho izany dia tsy vitan’ny hoe mambra vita batisa fotsiny ao amin’ny fiangonana ny mpandray anjara, fa ampoizina ihany koa fa olona afaka ny ho ohatra velona izy eo amin’ny fomba fiainana mendrika mifanaraka amin’izay takian’ny fiangonana. Ny batisa moa dia fahatanterahana hita maso sy azo andrefesana ny fahatrarana ny fepetra fototra takiana, fa ny tena tanjona ambony indrindra dia ny fanehoana taratra mazava an’i Kristy eo amin’ny fiainan’ny mpandray anjara.

1

Page 2: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

Nahavita fiofanana fototra ho an’ny mpitarika nySampana mpisantatra naSampana mpisavalalana naSampana tanora

Fotoana mety io hisafidianana mialoha izay sehatr’asa hifantohan’ny mpandray anjara eo amin’ny sampana tanora ao amin’ny fiangonana. Ny sampan’asa tsirairay voalaza tetsy ambony dia samy manana lesona fototra natao ho an’ireo izay vao manomboka dingana manokana ka tsy manana fahalalana na fanandramana mialoha ny hirosoany amin’ny fiofanana. Mbola misy ihany moa ny fandaharan’asa vaovao izay mbola volavolaina, ka tsara raha miara-midinika amin’ny departemantan’ny tanora amin’ny saha misy azy ny mpandray anjara ny amin’ny sehatr’asa fanampiny mety azo isafidianana, sy ny amin’ny fanajariana fandaharam-potoana ao anatin’ny faran’ny herinandro manokana hanaovana ny fiofanana. Ny fiofanana ho an’ny mpitarika ny mpisavalalana ohatra dia manokana folo ora hanaovana seminera manokana mikasika ireto lohahevitra manaraka ireto :

Ny tantara, ny filozofia ary ny tanjona ijoroan’ny klioban’ny mpisavalalanaMahazo tsara ny hoe mpisavalalanaNy fitarihana ny kliobaNy fandaminan’asan’ny kliobaFanaovana fandaharan’asa sy volavolan’asan’ny kliobaNy asa fahazoana fanahyNy fampianarana ny kilasim-pandrosoan’ny mpisavalalanaNy lasy sy ny fanabeazana any anivon’ny zava-boaharyNy fanazaran-tena sy ny fombam-pivavahanaFiofanana amin’ny fitarihana tanoraNy fifandraisana amin’ny sampana mpisantatra

Naoty sy fandaharan’asa ao amin’ny fiofanana

Fitomboana eo amin’ny ara-panahy

Mamaky boky “Ny Dia ho eo amin’i Kristy”

Ity boky kely ity izay efa voadika amin’ny fiteny 150 samihafa (mihoatra noho ny boky hafa rehetra teto amin’ny tantaran’ny tany ankoatry ny baiboly), dia milaza amin’ny fomba tsotra sy mazava tsara ny dingana ho amin’ny famonjena amin’ny maha-mpianatra. Ny teny hoe Famonjena dia iray amin’ireo teny fototra roa fampiasa ao amin’ny sampan’asa tanora, ny faharoa moa dia Fanompoana. Tena zava-dehibe tokoa ny fahazahoana mazava tsara ny atao hoe famonjena sy ny fomba hahazoana azy.

Mahavita ny tari-dalana “Encounter” [Fihaonana] ny andiany I, “Sur Ses Traces”, na famakiana baiboly mandritra ny taona

Ny fihaonana andiany I dia pejy efatra misy ny tari-dalana famakiana ny baiboly mandritra ny taona iray, miaraka amin’ny andalana avy ao amin’ny bokin’i Ellen G. White ho fanampim-panazavana. Azonao raisina any amin’ny sampana tanora ao amin’ny saha misy anao ny andiany rehetra. Voarakitra amin’ny pejy manaraka ny lisitry ny vakiteny mifanaraka amin’ity taom-pianarana ity. Misy ihany koa ny fandaharana maro samihafa amin’ny famakiana baiboly manontolo ao anatin’ny taona iray.

2

Page 3: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

Nanana diary anankiray hanoratana ny famintinana vakiteny fiambenana isan’andro, fara-fahakeliny mandritra ny efatra herinandro.

Feno karazana diary tsara tarehy eny an-tsena, kanefa tsy voatery hividy amin’ireny. Azo atao amin’ny taratasy tsotra izany na koa raha tiana ny hanana anankiray mahafinaritra anao dia manamboara ary ataovy arak’izay itiavanao azy. Ity misy ohatra iray hanaovana ny endriny:

Daty: _________ Boky na andalana novakiana: ____________

Hevitro momba ilay teny:

Antom-bavako:

Maro ireo efa nahita fitomboana tamin’ny fanoratana ity diary ity ka nitana izany ho fahazarany mandritra ny fiainany

Maneho ny fahalalany momba ny foto-pinoana 28 amin’ny fanaovana ny iray amin’ireto manaraka ireto :Manoratra anaty taratasy ny fanazavana ny 15 amin’ireo foto-pinoana ireo fara-

fahakelinyMamelabelatra am-bava ny 15 amin’ireo foto-pinoana ireo fara-fahakelinyManatontosa fampianarana baiboly mandrakotra ny fara-fahakeliny 15 amin’ny

foto-pinoanaMitarika seminera mampianatra ny 15 amin’ny foto-pinoana fara-fahakeliny

Manaraka etoana ny famintinana fohifohy ny foto-pinoana 28, notsoahina tamin’ny boky “27 Fundamental Beliefs of the Seventh-day Adventist Church”. Anisan’ny boky iray tsara azo ampiasaina koa ny “The Marked Word” nosoratan’i Gertrude Battle. Mety ho hitanao any amin’ny toerana fivarotam-boky advantista any amin’ny saha misy anao io.

FOTO-PINOANA # 1 …….. NY TENIN’ANDRIAMANITRA

“Ny Soratra Masina, ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao dia ny tenin’Andriamanitra voasoratra, nomena tamin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny olon-masin’Andriamanitra izay niteny sy nanoratra araky ny nanetsehan’ny Fanahy Masina azy. Nomen’Andriamanitra ny olona ao amin’io Teniny io ny fahalalana ilaina momba ny famonjena. Ny Soratra Masina dia fanambarana tsy mety diso ny sitrapony. Ny tenin’Andriamanitra no maneho ny fahatanterahan-toetra filamatra, ny fanandraman’ny fizahan-toetra, manana fahefana hanambara ny foto-pinoana, ary ny fahatsiarovana azo antoka ny zavatra nataon’Andriamanitra teo amin’ny tantara”.

(2 Pet1:20,21 – 2 Tim 3:16, 17 – Sal 119:105 – Ohab 30:5,6 – Isa 8:20 – Jao 17:17 – 1Tes 2:13 – Heb 4:12)

3

Page 4: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

FOTO-PINOANA # 2 …….. ANDRIAMANITRA TELO IZAY IRAY

“Iray Andriamanitra: Ray, Zanaka, Fanahy Masina, telo izay iray samy mandrakizay. Tsy mety maty Andriamanitra manana ny hery rehetra, ny fahalalana rehetra, ambonin’ny zavatra rehetra ary eo amin’ny toerana rehetra. Tsy manam-pahataperana ary tsy takatry ny fahalalan’olombelona, kanefa fantatra amin’ny fanehoany ny tenany. Mendrika ny hivavahana, hiankohofana ary hotompoin’ny zavaboaary rehetra mandritra ny mandrakizay”.

(Deo 6:4 – Mat 28:19 – 2Kor 13:14 – Efes 4:4,5,6 – 1Pet 1:2- 1Tim 1:17 – Apok 14:7)

FOTO-PINOANA # 3 …….. Andriamanitra RAY

“Andriamanitra Ray Mandrakizay no Mpamorona, Loharano, Mpamelona ary Mpanjakan’ny voary rehetra. Andriamanitra marina sy masina, mamindra fo sy miantra, tsy mora tezitra ary be fitiavana sy mahatoky Izy. Ny fahatsarana sy ny hery hita ao amin’ny Zanaka sy ny Fanahy Masina dia fanambarana ny Ray ihany koa”.

(Gen 1:1 – Apok 4:11 – 1Kor 15:28 – Jao 3:16 – 1Jao 4:8 – 1Tim 1:17 – Eks 34:6,7 – Jao 14:9)

FOTO-PINOANA # 4 …….. Andriamanitra ZANAKA

“Tonga nofo tao amin’i Jesosy Kristy Andriamanitra zanaka mandrakizay. Izy no nahariana ny zavatra rehetra. Tamin’ny alalany no anehoana ny toetran’Andriamanitra sy anatanterahana ny famonjena ny taranak’olombelona ary itsarana izao tontolo izao. tena Andriamanitra marina mandrakizay Izy, kanefa koa tena olombelona ihany koa Jesosy ilay Kristy. Notorontoroina tamin’ny Fanahy Masina Izy ary naterak’i Maria virijina. Velona ary nandalo fakam-panahy toy ny olombelona Izy kanefa ohatra tanteraka amin’ny fahamarinana sy ny fitiavan’Andriamanitra. Nampiharihary ny herin’Andriamanitra Izy tamin’ny fahagagana nataony ary voamarina tamin’izany ny maha-Ilay Mesia nampanantenain’Andriamanitra Azy. Nanolo-tena ny hijaly sy ho faty teo amin’ny hazo fijaliana noho ny otantsika sy teo amin’ny toerantsika Izy, nitsangana tamin’ny maty ary niakatra any amin’ny fitoerana masina any an-danitra hanalàlana ho antsika. Ho avy indray am-boninahitra Izy hanao fanafahana farany ny olona ary hamerina ny zavatra rehetra amin’ny laoniny”.

(Jao 1:1-3,14 – Kol 1:15-19 – Jao 10:30 – Jao 14:9 – Jao 14:1-3 – Rom 6:23 –2Kor 5:17-21 – Jao 5:22 – Lio 1:35 – Fil 2:5-11 – Heb 2:9-18 – Heb 8:1,2 – 1Kor 15:3,4 )

FOTO-PINOANA # 5 ……. Andriamanitra FANAHY MASINA

“Nanana anjara asa mavitrika niaraka tamin’ny RAY sy ny ZANAKA ny Andriamanitra FANAHY mandrakizay, teo amin’ny famoronana, ny fahatongavan’i Kristy ho nofo teto an-tany, ary ny famonjena. Nanome tsindrimandry ny mpanoratra ny Soratra Masina Izy. Nameno hery ny fiainan’i Kristy Izy. Mitarika sy mandresy lahatra ny zanak’olombelona Izy, ary ireo izay manoina ny antsony dia havaoziny sy ovàny hitovy endrika amin’Andriamanitra. Nirahin’ Andriamanitra RAY sy ZANAKA izy mba hiaraka mandrakariva amin’ny zanany. Manolotra fanomezam-pahasoavana ho an’ny fiangonana Izy ary manome hery azy ireo hijoroany vavolombelona ho an’i Kristy, ary tsy misaraka amin’ny Soratra Masina eo amin’ny fitarihana ny fiangonana amin’ny marina rehetra.”

(Gen 1:1,2 – Lio 1:35; 4:18 – Asa 1:8 – Jao 14: 16,18,26; 15:26,27; 16:6,13 –Asa 10:38 – 2Pet 1:21 – 2Kor 3:18 – Efes 4:11,12 )

FOTO-PINOANA # 6 ……. NY FAMORONANA

4

Page 5: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

“Andriamanitra no mpamorona ny zavatra rehetra, ary nanambara tao amin’ny Soratra Masina ny tantara marina momba izany asa famoronana nataony izany. Henemana no nanaovan’ny Tompo ny “lanitra sy ny tany” sy ny zava-manan’aina rehetra eto an-tany, ary nitsahatra Izy tamin’ny andro fahafiton’io herinandro voalohany io. Izany no nanaovany ny Sabata ho fahatsiarovana mandrakizay ny asa famoronana tanteraka nataony. Ny lehilahy sy vehivavy voalohany dia natao araka ny endrik’Andriamanitra mba ho fanomezam-boninahitra ny asa famoronana, nomena ny fahefana rehetra ambonin’ny tany, ary nampiandraiketana ny fikarakarana izany. Rehefa vita ny tany dia “tsara indrindra” izany, naneho ny voninahitr’Andriamanitra”.

(Gen 1:2 – Eks 20:8-11 – Sal 19:1-6 ; 33:6,9 - Sal 104 – Heb 11:3)

FOTO-PINOANA # 7 ……… NY TOETRAN’NY OLOMBELONA

“Natao araka ny endrik’Andriamanitra ny lehilahy sy ny vehivavy ary samy manana ny maha-izy azy, na ny fahefana sy fahafahana hisaina ary hanao zavatra izy. Na dia zava-boahary manana fahafahana aza ny tsirairay dia vatana, saina ary fanahy tsy azo sarahina ary miankina amin’Andriamanitra amin’ny fiainany sy ny fofon’aina ary ny zavatra hafa rehetra. Rehefa tsy nankato an’Andriamanitra ny razambentsika voalohany dia nandà ny fiankinana taminy ary nivarina niala tamin’ny toerana ambony manaraka an’Andriamanitra nisy azy. Simba ny endrik’Andriamanitra teo aminy ary nanjary ambany saokan’ny fahafatesana izy. Nizaka ny toetra lavo sy ny vokatr’izany ny taranany. Teraka miaraka amin’ny kilema sy ny fironana ho amin’ny ratsy izy. Andriamanitra tao amin’i Kristy anefa no nampihavana izao tontolo izao taminy ary amin’ny Fanahiny mamerina ny endriky ny mpamorona eo amin’ny tena mety maty mibebaka. Noforonina ho voninahitr’Andriamanitra ny olona ary nantsoina ho tia Azy sy hifankatia ary hikarakara ny manodidina azy”.

(Gen 1:26-28; 2:7,15 – Sal 8:4-8 – Asa 17:24-28 – Gen 3 – Sal 51:5 – Rom 5:12-17 – 2Kor 5:19,20 – Sal 51:10 – 1Jao 4:7,8,11,20)

FOTO-PINOANA # 8 …….. ILAY ADY GOAVANA

“Mandray anjara amin’ny ady lehibe hifanandrinan’i Kristy sy Satana, momba ny toetran’Andriamanitra, ny lalàny ary ny Fahefana lehibe ananany ambonin’izao rehetra izao, ny taranak’olombelona manontolo. Niatomboka tany an-danitra izany ady izany rehefa nitsangana ho fahavalon’Andriamanitra ny zava-boahary iray izay nomena fahafahana hisafidy, noho ny fanandratany ny tenany dia lasa Satana, ary nitarika ampahany tamin’ny anjely hikomy. Nampiditra toe-tsaina mikomy teto an-tany izy rehefa nitarika an’i Adama sy Eva tamin’ny fahotana. Io fahotan’ny taranak’olombelona io no niteraka ny faharavan’ny endrik’Andriamanitra teo amin’ny olona sy ny fikorontanan’ny zava-boahary manontolo ary ny faharavana tanteraka tamin’ny andron’ny safodrano. Ifantohan’ny fijerin’ny voary manontolo ity tany ity izay toerana hisehoan’ilay fanandrinana lehibe, ary ho voaporofo amin’izany ny faratampon’ny fitiavan’Andriamanitra marina. Ho fanampina ny olony amin’ity ady ity dia maniraka ny Fanahy Masina sy ny anjeliny mahatoky Kristy mba hitari-dalana sy hiaro ary hanohana azy ireo eo amin’ny lalam-pamonjena”.

(Apok 12:4,9 – Isa 14:12-14 – Ezek 28:12-18 – Gen 3 – Rom 1:19-32; 5:12-21; 8:19-22 – Gen 6 – Gen 8 – 2Pet 3:6 – 1Kor 4:9 – Heb 1:14)

FOTO-PINOANA # 9 …… NY FIAINANA, NY FAHAFATESANA ARY NY FITSANGANAN’I KRISTY

5

Page 6: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

“Ny fankatoavana feno ny sitrapon’Andriamanitra teo amin ‘ny fiainan’i Kristy, ny fijaliany, ny fahafatesany ary ny fitsanganany tamin’ny maty no fomba tokana natolotr’Andriamanitra ho avotra ho an’ny fahotan’ny olona, mba hahazoan’ireo izay manaiky io fanavotana io am-pinoana mandray ny fiainana mandrakizay, amin’izay ny voary manontolo dia hahazo an-tsaina bebe kokoa ny fitiavana masina sy tsy hita fetran’ny Mpamorona. Io fanatitra tsy misy kilema io no mampiharihary ny fahamarinan’ny lalan’Andriamanitra sy ny toetrany be famindrampo, satria izany dia sady manameloka ny fahotana nefa manolotra famelan-keloka ihany koa. Ny fahafatesan’i Kristy dia misolo toerana antsika, manala ny fahotantsika, mampihavana antsika amin’Andriamanitra ary manova antsika. Ny fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty dia mampiharihary ny fandresen’Andriamanitra ny herin’ny ratsy, ary ho an’ireo izay manaiky ny avotra natao dia miantoka ny fandresena fara-tampony ny fahotana sy ny fahafatesana. Manambara ny maha-Tompo an’i Jesosy Kristy izany ary ny lohalika rehetra eto an-tany sy any an-danitra dia hilefitra eo anatrehany”.

(Jao 3:16 – Isa 53 – 1Pet 2:21,22 – 1Kor 15:3,4,20-22 – 2Kor 5:14,15,19-21 –Rom 1:4; 3:25; 4:25; 8:3,4 -1Jao 2:2; 4:10 – Kol 2:15 – Fil 2:6-11)

FOTO-PINOANA # 10 … NY FAHATSAPANA NY FAMONJENA

“Noho ny fitiavan’Andriamanitra sy ny indrafony tsy hita fetra dia nataon’Andriamanitra ho ota ho antsika Kristy, izay tsy nahalala ota, mba hanamarinan’Andriamanitra antsika ao Aminy. Noho ny fitarihan’ny Fanahy Masina dia mahatsapa ny fahantrantsika isika, miaiky ny maha-mpanota antsika, mibebaka noho ny tsi-fahamarinantsika ary mino an’i Jesosy ho Tompo sy Kristy, mpisolo sy ohatra. Io finoana mandray famonjena io dia avy amin’ny herin’ny tenin’Andriamanitra ary fanomezana avy amin’ny fahasoavan’Andriamanitra. Hamarinina ao amin’i Kristy isika, atsangana ho zanakalahy sy zanakavavin’Andriamanitra ary afahana avy amin’ny fanangejan’ny fahotana. Amin’ny Fanahy dia teraka indray isika ary hamasinina ; manavao ny fisainantsika ny Fanahy ary manoratra ny lalàm-pitiavan’Andriamanitra ao am-pontsika, avy eo dia omena antsika ny hery hivelomantsika amin’ny fiainana masina (fahamasinana). Rehefa mitoetra ao aminy isika dia tonga manana ny toetrany ary manana antoka ny famonjeny ankehitriny sy amin’ny fitsarana”.(2Kor 5:17-21 – Jao 3:3-8,16; 16:8. – Gal 1:4; 3:13,14,26 ;4:4-7 – Tit 3:3-7 – 1Pet 2:21-22 – Rom 3:21-26; 5:6-10; 8:1-4,14-17; 10:17; 12:2 – Lio 17:5 – Mar 9:23,24 – Efes 2:5-10 – Kol 1:13,14 – 1Pet 1:23 – Heb 8:7-12 – Ezek 36:25-27 – 2Pet 1:3,4)

FOTO-PINOANA # 11 ……. NY FITOMBOANA AO AMIN’I KRISTYTamin’ny alalan’ny fahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana no nandresen’i Jesosy ny

herin’ny ratsy. Izy izay nandresy ireo fanahin’ny demonia nandritra ny asany tety an-tany dia efa nandresy ny fahefany rehetra ka nanome antoka ny fahareseny mandrakizay.

Ny fandresen’i Jesosy dia manome hery antsika handresy ireo herin’ny ratsy izay mbola mitady hangeja antsika, raha miara-dia Aminy amin’ny fiadanam-po sy amim-pifaliana ary ny fahazoana antoka ny fitiavany isika. Amin’izay dia mitoetra ao anatintsika ny Fanahy Masina sady manome hery antsika. Eo am-panolorantena mandrakariva ho an’i Jesosy Tompo sy Mpamonjy antsika dia afaka amin’ireo vesatry ny fahatsiarovana ny lasantsika rehetra isika.

Tsy miaina ao amin’ny haizina sy ny tahotra ny herin’ny maizina ary ny tsy fahalalana intsony isika, ary tsy miaina intsony ao amin’ny fahatsapana ny tsy mampisy dikany ny fomba fiainantsika taloha. Ao amin’izany fahalalana vaovao ao amin’i Jesosy izany dia antsoina isika hitombo amin’ny fanahafana ny toetrany ka mifandray Aminy isan’andro

6

Page 7: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

amin’ny alalan’ny vavaka, mivelona mandrakariva amin’ny teniny, misaintsaina izany mandrakariva sy misaintsaina ny fitantanan’Andriamanitra, mihira hira fiderana, tonga mamonjy ny fotoam-piarahana miankohoka Aminy rehetra ary mandray anjara amin’ny iraka nampanaovina ny fiangonana. Koa ny fanoloran-tenantsika amin’ny alalan’ny fanompoam-pitiavana ataontsika amin’ireo manodidina antsika sy ny fijoroantsika ho vavolombelon’ny famonjeny antsika, ny fanatrehany antsika mandrakariva amin’ny alalan’ny Fanahy Masina dia manova ny fotoana rehetra sy ny adidy rehetra ho zary fanandramana ara-panahy miaraka Aminy. ( Sal 1:1,2; 23:4; 77:11,12 – Kol 1:13,14; 2:6,14,15 – Lio 10:17-20 – Efes 5:19,20; 6:12-18 – 1Tes 5:16,17,18,23 – 2Pet 2:9 – 2Pet 3:18 – 2Kor 3:17,18 – Fil 3:7-14 – Mat 20:25-28 –

Jao 20:21 – Gal 5:22-25 – Rom 8:38,39 – 1Jao 4:4 – Heb 10:25 )

FOTO-PINOANA # 12 ……. NY FIANGONANA

Ny fiangonana dia ny fiombonan’ny mpino izay manaiky an’i Jesosy Kristy ho Tompo sy Mpamonjy. Ho fanohizana ny vahoakan’Andriamanitra tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha dia nantsoina hiala avy eto amin’izao tontolo izao isika mba hiray amin’ny fiankohofana, amin’ny firahalahiana, amin’ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra, amin’ny fankalazana ny fandraisana fanasan’ny Tompo, amin’ny fanompoana ny taranak’olombelona rehetra, ary amin’ny fitoriana ny filazantsara maneran-tany. Kristy, IlayTeny tonga nofo, sy ny Soratra Masina, ilay teny voasoratra no iavian’ny fahefan’ny fiangonana. Ankohonan’Andriamanitra ny fiangonana ; natsangany ho zanany ny mambra ary mifototra amin’ilay fanekena vaovao ny fiainany. Vatan’i Kristy ny fiangonana, fikambanana ara-pinoana izay mandray ny Kristy ho Lohany. Ny fiangonana dia ny ampakarin’i Kristy izay namoizany ny ainy mba hanadiovany azy sy hanamasinany azy. Amin’ny fiverenany amim-pandresena dia hiseho eo Aminy ho be voninahitra, mahatoky amin’ny fotoana rehetra, novidiany tamin’ny rany, tsy misy pentina na fikentronana, fa masina ary tsy misy kilema ny fiangonana.

(Gen 12:3 – Asa 7:38 – Efes 1:22,23; 2:19-22; 4:11-15; 3:8-11; 5:23-27 –Mat 28:19-20; 16:13-20; 18:18 – Kol 1:17,18)

FOTO-PINOANA # 13 ….. NY SISA SY NY ASA NIANTSOANA AZY

“Ny fiangonana maneran-tany dia ahitana ireo izay mino marina an’i Kristy, saingy amin’ny andro farany, fotoana isian’ilay fihemorana lehibe, dia misy ireo sisa izay nantsoina mba hitandrina ny didin’Andriamanitra sy ny finoana an’i Jesosy. Manambara ny fahatongavan’ny fitsarana sy mitory ny famonjena amin’ny alalan’i Kristy, ary mitondra ny hafatra momba ny fahakaikezan’ny fiaviany fanindroany ny sisa. Io fitoriana io dia aseho an-tsary amin’ny anjely telo ao amin’ny Apokalypsy 14 izay mifandraika indrindra amin’ny asa fitsarana any an-danitra ary mifarana amin’ny asa fibebahana sy ny fanavaozana eto an-tany. Ny mpino tsirairay dia nantsoina handray anjara manokana amin’io fijoroana ho vavolombelona maneran-tany io”.

(Apok 12:17; 14:6-12; 18:1-4; 21:1-14 – 2Kor 5:10 – Joda 3,14 – 1Pet 1:16-19 – 2Pet 3:10-14)

FOTO-PINOANA # 14 ….. FIRAISANA AO AMIN’NY TENAN’I KRISTY

“Ny fiangonana dia tena iray ahitana mambra maro natsoina avy amin’ny firenena rehetra, ankohonana rehetra, fiteny rehetra ary ny mponina rehetra. Voary vaovao isika ao amin’i Kristy ; tsy azo avela hampisy fisarasarahana eo amintsika ny fahasamihafana eo amin’ny firazanana, kolontsaina, ny fianarana, ny fihaviana, ny toerana eo amin’ny fiaraha-monina (ambony na ambany), ny maha-mpanankarena sy mahantra, ny maha lahy sy ny

7

Page 8: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

maha vavy. Mitovy avokoa isika eo amin’i Kristy izay nampikambana antsika tamin’ny Fanahy iray, ao amin’ny fihavanana Aminy sy amintsika samy isika. Natao hanompo sy hotompoina tsy amin’ny fiandaniana na fihafahafahana isika. Amin’ny alalan’ny fanambarana an’i Kristy ao amin’ny Soratra Masina dia mitana finoana iray sy fanantenana iray isika ary mitory teny fahamarinana iray amin’ny olona rehetra. Ao amin’ny Andriamanitra telo izay iray, izay nanangana antsika ho zanany no loharanon’izany firaisana izany.”(Rom 12:4,5 – 1Kor 12:12-14 – Mat 28:19-20 – Sal 133:1 – 2Kor 5:16,17 – Asa 17:26,27 –

Gal 3:27,29 – Kol 3:10-15 – Efes 4:1-6,14-16 – Jao 17:20-23)

FOTO-PINOANA # 15 ……. NY BATISA

“Amin’ny batisa no hanehoantsika ny finoantsika ny fahafatesan’i Krisy sy ny fitsanganany tamin’ny maty, ary ijoroantsika ho vavolombelon’ny fahafatesantsika ao amin’ny fahotana sy ny fikasantsika handeha ao amin’ny fiainam-baovao. Amin’izay dia manaiky an’i Kristy ho Tompo sy Mpamonjy isika ary tonga ho isan’ny olony, ary raisin’ny fiangonany ho isan’ny mambra ao aminy. Ny batisa no fanehoana ny firaisantsika amin’i Kristy, ny famelana ny helotsika ary ny fandraisantsika ny Fanahy Masina. Asitrika ao anaty rano no fanaovana ny batisa ary mitaky fanambarana ny finoana an’i Jesosy sy porofon’ny fibebahana noho ny fahotana izany. Manaraka ny fampianarana Soratra Masina sy ny fanekena ny fampianarany ny batisa”.

(Rom 6:1-6 – Kol 2:12,13 – Asa 16:30-33; 22:16; 2:38 – Mar 16:16 – Mat 28:19,20)

FOTO-PINOANA # 16 …… NY FANASAN’NY TOMPO

“Ny fanasan’ny Tompo dia fandraisana anjara amin’ny tandindon’ny vatana sy ny ran’i Jesosy ho fanehoana ny finoana Azy, Tompo sy Mpamonjy antsika. Eo amin’ity fanandramana iraisana ity Kristy mba hihaona sy hampahery ny olony. Amin’ny fandraisantsika anjara amin’izany dia mampanakoako amim-pifaliana ny fahafatesan’ny Tompo isika mandra-pihaviny. Ny fiomanana amin’izany fandraisana izany dia ny fandinihan-tena, ny fibebahana ary ny fiaiken-keloka. Natokan’ny Tompo ny fotoam-pivavahana fifanasan-tongotra izay midika ho fanadiovana indray ary maneho ny faniriantsika hifanompo amin’ny fanetren-tena tahak’izay nasehon’i Kristy, ary hanakambana ny fontsika ao amin’ny fitiavana. Misokatra ho an’ny mpino kristiana rehetra ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo.”

(1Kor 10:16,17; 11:23-30 – Mat 26:17-30 – Apok 3:20 – Jao 6:48-63; 13:1-17)

FOTO-PINOANA # 17 … FANOMEZAM-PAHASOAVAN’NY FANAHY MASINA SY NY ASA FANOMPOANA

“Manome fanomezam-pahasovana ho an’ny mambra rehetra ao amin’ny fiangonany sy ny fotoana rehetra Andriamanitra. Natao hampiasain’ny mambra tsirairay amin’ny fanompoam-pitiavana izy ireny ho soa iombonana ho an’ny fiangonana sy ny taranak’olombelona. Zarazarain’ny Fanahy Masina ho an’ny mambra tsirairay, araky ny sitrapony ny fanomezam-pahasoavana, ary manolotra ny fahaiza-manao rehetra sy ny fizaran’asa rehetra ilain’ny fiangonana ho amin’ny fanatanterahana ny asa nanendren’ny lanitra azy izany. Araky ny voalaza ao amin’ny Soratra Masina dia ireto avy izany fanomezam-pahasoavana izany: finoana, fanomezam-pahasoavana enti-manasitrana, maminay, fitorian-teny, fampianarana, fitantanan’asa, fampihavanana, famindrampo, fahafoizan-tena ho amin’ny asa fanompoana sy fiantrana. Ho fanampiana sy fampaherezana ny olona. Ny mambra sasany dia antsoin’Andriamanitra ary toloran’ny Fanahy Masina anjara

8

Page 9: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

asa manokana ao amin’ny fiangonana toy ny pasitora, ny evanjelisitra, ny apostoly ary ny mpampianatra izay ilaina indrindra ho amin’ny fampitaovana ny mambra amin’ny asa fanompoana, ho fampitomboana ny fiangonana ho amin’ny famatorana ara-panahy, ary hanamafy ny firaisam-pinoana sy ny fahalalana an’Andriamanitra. Rehefa samy mampiasa ny fanomezam-pahasoavana ananany amim-pahatokiana avokoa ny mambra, dia voaaro amin’ny hery manimba miasa manginan’ny fampianaran-diso ny fiangonana, ary mitombo araky ny fitomboana araka an’Andriamanitra, sy miorina tsara amin’ny finoana sy fitiavana”.

(Rom 12:4-8 – 1Kor 12:9-11,27,28 – Efes 4:8,11-16 – Asa 6:1-7 – 1Tim 3:1-13 –1Pet 4:10,11)

FOTO-PINOANA # 18 … NY FANOMEZAM-PAHASOAVAN’NY FAMINANIANA

“Iray amin’ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy Masina ny faminaniana. Io fanomezam-pahasoavana io no hamantarana ny fiangonana sisa ary hita teo amin’ny asan’i Ellen G. White izany. Amin’ny maha- mpitondra hafatry ny Tompo azy dia loharanom-pahamarinana mitohy sy manam-pahefana ny sora-tanany ary manome fankaherezana, tari-dalana, fampianarana ary fanitsiana ho an’ny fiangonana. Manazava tsara koa izy ireo fa ny baiboly no fenitra entina hizahan-toetra ny fampianarana sy ny fanandramana rehetra.”

(Joe 3:1,2 – Asa 2:14-21 – Heb 1:1-3 – Apok 12:17; 19:10)

FOTO-PINOANA # 19 …. NY LALAN’ANDRIAMANITRA

“Ny fahamarinana lehiben’ny lalàn’Andriamanitra dia voarakitra ao amin’ny Didy Folo ary voataratra eo amin’ny fiainan’i Kristy. Mampiseho ny fitiavan’Andriamanitra, ny sitrapony ary ny fikendreny mikasika ny fitondran-tenan’ny olombelona sy ny fifandraisany ary manankery amin’ny taranak’olombelona rehetra amin’ny taona rehetra. Ireo fitsipika ireo no fototry ny fifaneken’Andriamanitra sy ny olony ary filamatra amin’ny amin’ny fitsaranan’ Andriamanitra. Amin’ny alalan’ny Fanahy Masina dia mampahafantatra ny ota ny lalàna ary mamoha ny fahatsapana ny filàna Mpamonjy. Ny famonjena dia azo avy amin’ny fahasoavana fa tsy avy amin’ny asa, fa ny vokany dia ny fitandremana ny lalàna. Mampivelatra ny toetra maha-kristiana izany fankatoavana izany ary mahatonga fiadanana. Porofon’ny fitiavantsika ny Tompo sy ny namantsika izany. Ny fankatoavana amim-pinoana dia fanehoana ny herin’i Kristy manova ny fiainana ary manamafy ny fijoroana vavolombelona kristiana.”

(Eks 20:1-17 – Sal 19:7-14; 40:7,8 – Mat 22:36-40 – Deo 28:1-14 – Mat 5:17-20 – Heb 8:8-10 – Jao 15:7-10 – Efes 2:8-10 – 1Jao 5:3 – Rom 8:3,4)

FOTO-PINOANA # 20 ….. NY SABATA

Rehefa tapitra ny enin’andron’ny famoronana dia nitsahatra tamin’ny andro fahafito Ilay Mpamorona Tsarafanahy ary nanorina ny Sabata Izy ho an’ny olona rehetra ho fahatsiarovana ny asa famoronana. Ny didy fahaefatra ao amin’ny didy folon’Andriamanitra izay tsy azo ovàna dia mitaky ny fanajana io andro Sabata andro fahafito io ho andro fitsaharana, fiankohofana ary fanaovana asa fanompoana mifanaraka amin’ny fampianarana sy ny fanaon’i Jesosy, Ilay Tompon’ny Sabata. Andro isian’ny fifandraisana mahafinaritra amin’Andriamanitra sy firahalahiana eo amin’ny mpino ny Sabata. Io no mariky ny fanavotana antsika ao amin’i Kristy, sy ny fanamasinana antsika; famantarana ny fankatoavantsika, ary fanandramana sahady ny ho avintsika mandrakizay ao amin’ny fanjakan’ny lanitra. Ny Sabata dia famantarana mandrakizay ny fanekena mandrakizay eo amin’Andriamanitra sy ny olony. Ny fahatsiarovantsika amim-pifaliana izany fotoana masina

9

Page 10: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

izany, manomboka ny hariva maty masoandro ka hatramin’ny hariva maty masoandro manaraka, dia fankalazantsika ny asam-pamoronana sy fanavotana nataon’Andriamanitra.”(Gen 2:1-3 – Eks 20:8-11 – Lio 4:16 – Isa 56:5,6; 58:13,14 – Mat 12:1-12 – Eks 31:13-17 –

Ezek 20:12,20 – Deo 5:12-15 – Heb 4:1-11 – Lev 23:32 – Mar 1:32)

FOTO-PINOANA # 21 ……. NY FITANTANAM-PANANANA

“Mpitantam-pananan’Andriamanitra isika ; nankininy amintsika ny fotoana, ny toe-javatra azo hararaotina hanatanterahana asa, ny fahaiza-manao sy ny fananana, ny fitahian’ny tany sy ny harena eo aminy. Tompon’andraikitra eo anatrehan’Andriamanitra isika ny amin’izay nampiasantsika ireny. Manaiky nymaha-tompon’ny zavatra rehetra ho an’Andriamanitra isika amin’ny fanompoantsika Azy sy ny namantsika amim-pahatokiana, sy ny famerenantsika ny ampahafolony ary ny fanomezantsika ny fanatitra ho fitoriana ny filazantsarany sy fanohanana ary fampitomboana ny fiangonany. Ny fitantanam-pananana dia tombotsoa iray omen’Andriamanitra antsika hitomboantsika ao amin’ny fitiavana sy hahazoantsika fandresena amin’ny fitiavantena sy ny fitsiriritana. Ny mpitantam-pananana dia mifaly amin’ny fitahiana noraisin’ny hafa noho ny fahatokiany.”(Gen 1:26-28; 2:15 – 1Tant 29:14 – Hag 1:3-11 – Mal 3:8-12 – 1Kor 9:9-14 – Mat 23:23 –

2Kor 8:1-15 – Rom 15:26,27)

FOTO-PINOANA # 22 ….. NY TOETRA SY FIHETSIKA KRISTIANINA

“Nantsoina ho olona araka an’Andriamanitra isika ka hisaina, hahatsapa ary hiasa araky ny fitsipi-piainan’ny lanitra. Mba hahafahan’ny Fanahy Masina hamorona indray ao amintsika ny toetran’ny Tompontsika dia tsy manao isika raha tsy zavatra mitarika antsika amin’ny famokarana ny fahadiovan’i Kristy, fahasalamana ary fifaliana eo amin’ny fiainantsika. Izany dia midika fa ny kilalao ataontsika sy ny fialambolintsika dia tokony hahatratra ny fetra ambony indrindra takiana amin’ny fitiavana sy fahatsaran-tarehy araka ny maha-kristiana antsika. Arakaraky ny fahasamihafana eo amin’ny kolontsaina tsirairay ny fiakanjontsika, nefa tokony ho tsotra, maotina ary milamina, mba sy ho fihaingoana ivelnay ny fisehontsika fa ho firavahana tsy mety lò dia ny fanahy tony sy tsara. Midika ihany koa izany fa amin’ny maha-tempolin’ny Fanahy Masina ny tenantsika dia tsy maintsy karakaraintsika amim-pahendrena izany. Ankoatra ny fanaovana fanatanjahan-tena sy fitsaharana, dia takiana ny hihinanantsika izay sakafo tena mahasalama indrindra ary ny hifadiantsika ny sakafo maloto arak’izay voalazan’ny Soratra Masina. Ny zava-pisotro misy alikaola, ny paraky ary ny fampiasana fanafody tsy amim-piheverana sy ireo zava-mahadomelina dia manimba ny vatana ka takiana ny hifadiantsika ireny. Ny zavatra izay mitondra ny eritreritsika sy ny vatantsika eo ambanin’ny fifehezan’i Kristy, sy ny olona izay maniry ny hahasoa ny tena sy ny fanahintsika, ny fifaliana sy ny fahatsarantsika ihany no tokony hifampiraharahantsika”.

(Rom 12:1,2 – 1Jao 2:6 – Efes 5:1-21 – Fil 4:8 – 2Kor 10:5; 6:14---7:1 – 1Pet 3:1-4 – 1Kor 6:19,20; 10:31 – Lev 11:1-47 – 3Jao 2)

FOTO-PINOANA # 23 …. NY FANAMBADIANA SY NY ANKOHONANA

“Naorin’Andriamanitra tao Edena ny fanambadiana ary nohamarinin’i Jesosy ny maha-firaisana mandritra ny fiainana azy eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy, ao anatin’ny fisakaizam-pitiavana. Ho an’ny kristiana ny fanambadiana dia fifanekena atao amin’Andriamanitra sy amin’ny vady ka tokony ho olona mitovy finoana ihany no mifanaiky ho amin’izany. Fitiavana mifamaly, fifanomezam-boninahitra, fifanajana ary fandraisana andraikitra no fototr’izany fifandraisana izany, izay natao hitarafana ny fitiavana, ny

10

Page 11: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

fahamasinana, ny fifandraisana ety sy maharitra misy eo amin’i Kristy sy ny fiangonana. Momba ny fisaraham-panambadiana dia nampianatra Jesosy fa ny olona izay misara-bady, raha tsy hoe angaha noho ny fijangajangana (na firaisana ara-nofo amin’ny olona hafa ankoatra ny vadinao), ka manambady olon-kafa avy eo, dia nijangajanga. Na dia tsy tonga lafatra aza ny fifandraisana misy ao amin’ny ankohonana, ny mpivady izay manolo-tena tanteraka ao amin’i Kristy dia afaka ny hahatratra firaisam-pitiavana amin’ny alalan’ny fitarihan’ny Fanahy Masina sy ny fanampian’ny fiangonana. Mitahy ny ankohonana Andriamanitra ary ny fikasany dia mba hifanampy ny olona tsirairay ao mba hahatratra ny fahamatorana tanteraka. Natao hitaiza ny zanany ho tia sy hankatò ny Tompo ny ray aman-dreny. Amin’ny ohatra asehon’izy ireo sy ny fiteniny dia natao hampianatra izy ireo fa Kristy dia mpitarika be fitiavana ary tsy misy malemy fanahy sy mpiahy azy tahaka Azy, miahy ireo izay maniry ny hahatonga Azy ho isan’ny tenany, ho ankohonan’Andriamanitra. ny fifandraisana etiety kokoa hatrany hita eo amin’ny ankohonana dia anisan’ny mariky ny vokatry ny hafatry ny filazantsara”.

(Gen 2:18-25 – Mat 19:3-9 – Jao 2:1-11 – 2Kor 6:14 – Efes 5:21-33 – Mat 5:31,32 – Mar 10:11,12 – Lio 16:18 – 1Kor 7:10,11 – Eks 20:12 – Efes 6:1-4 – Deo 6:5-9 –

Ohab 22:6 – Mal 3:23,24)

FOTO-PINOANA # 24 … NY ASA ATAON’I KRISTY AO AMIN’NY FITOERANA MASINA ANY AN-DANITRA

“Misy fitoerana masina any an-danitra, dia ilay tabernakely tena izy, naorin’ny Tompo fa tsy nataon’olona. Ao Kristy no miasa ho antsika mba hahafahan’ny mpino rehetra mandray ny tombotsoan’ny fanatitra fanavotana nataony indray mandeha tsy miverina teo amin’ny hazo fijaliana. Natokana ho Mpisorona be Izy ary nanomboka ny asa fanelanelanana tamin’ny fotoana niakarany tany an-danitra. Tamin’ny taona 1844, tamin’ny fiafaran’ilay fotoana 2300 andro ara-paminaniana, dia nanomboka ny tapany faharoa sady farany amin’ny asa fisoronana ataony Izy. Io no asa fitsarana famotopotorana izay anisan’ny faratampony amin’ny fandevonana ny fahotana, nasehon’ny fanadiovana ny fitoerana masina Hebreo fahiny amin’ny Andro fanavotana. Tamin’ity farany ity dia nodiovina tamin’ny alalan’ny ram-biby fanatitra ny fitoerana masina fa ny any an-danitra kosa dia hodiovina amin’ny ran’i Jesosy fanatitra tsy misy tsiny. Ny fitsarana famotopotorana dia mampiharihary amin’ny mponin’ny lanitra ny amin’ireo izay maty ao amin’i Kristy, ka noho izany dia navotana ho mendrika ny handray anjara amin’ny fitsanganana voalohany. Manambara mazava koa izany hoe iza amin’ireo izay mbola velona no mitoetra ao amin’i Kristy, mitandrina ny didin’ Andriamanitra sy mitana ny finoana an’i Jesosy, ka noho izany dia vonona ny hifindra any amin’ny fanjakana maharitra mandrakizay. Io fitsarana io dia manaporofo ny fahamarinan’Andriamanitra amin’ny famonjena izay mino an’i Jesosy. Manambara izany fa ireo izay nitoetra ho mahatoky amin’Andriamanitra dia handray ny fanjakan’ny lanitra. Ny fahataperan’io asan’i Kristy io no manamarika ny fiafaran’ny androm-pahasoavana ho an’ny olona alohan’ny fihavian’i Kristy fanindroany”.

(Heb 8:1-5; 4:14-16; 9:11-28; 10:19-22; 1:3; 2:16,17; Dan 7:9-27; 8:13,14; 9:24-27 – Nom 14:34 – Ezek 4:6 – Lev 16 – Apok 14:6,7; 20:12; 14:12; 22:12 )

FOTO-PINOANA # 25 …….. NY FIAVIAN’I KRISTY FANINDROANY

“Ny fiavian’i Kristy fanindroany no fanantenana feno fitahiana ho an’ny fiangonana, sy fahatanterahan’ny toe-javatra lehibe indrindra ao amin’ny filazantsara. Ny fiavian’i Kristy fanindroany dia ara-bakiteny, ara-batana, hita maso ary maneran-tany. Rehefa miverina Izy dia hatsangana amin’ny maty ireo olo-marina efa maty ary hiaraka amin’ny olo-marina mbola velona amim-boninahitra ho any an-danitra ; ny tsy marna kosa ho faty. Ny fahatanterahan’ny

11

Page 12: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

ankamaroan’ny faminaniana, sy ny toe-javatra miseho eto an-tany dia maneho fa efa akaiky tokoa ny fiavian’i Kristy. Tsy voalaza ny fotoana hitrangan’izany toe-javatra izany, noho izany dia tokony ho vonona amin’ny fotoana rehetra isika”.

(Tit 2:13 – Heb 9:28 – Jao 14:1-3 – Asa 1:9-11 – Mat 24:14 – Apok 1:7 – Mat 24:43,44 – 1Tes 4 :13-18 – 1Kor 15 :51-54 – 2Tes 1:7-10; 2:8 – Apok 14:14-20; 19:11-21 – Mat 24 –

Mar 13 – Lio 21 – 2Tim 3 :1-5 – 1Tes 5 :1-6 )

FOTO-PINOANA # 26 … NY FAHAFATESANA SY NY FITSANGANANA AMIN’NY MATY

“Fahafatesana no tambin’ny ota. Andriamanitra irery no tsy mety maty ka hanolotra fiainana mandrakizay ho an’ny voavonjy. Mandra-pahatonga izay fotoana izay dia fotoana tsy hahatsiarovan-tena ho an’ny olona rehetra ny fahafatesana. Rehefa miseho Kristy, Ilay fiainantsika, dia homem-boninahitra sy hangonina hitsena ny Tompony ireo olo-marina maty natsangana sy ireo marina mbola velona. Ny fitsanganana faharoa, ny fitsanganan’ny tsy marina dia hiseho aorian’ny arivo taona”.

( Rom 6:23 – 1Tim 6:15,16 – Mpit 9:5,6 – Sal 146:3,4 – Jao 11:11-14 – Kol 3:4 –1Kor 15:51-54 – 1Tes 4:13-17 – Jao 5:28,29 – Apok 20:1-10 )

FOTO-PINOANA # 27 … NY ARIVO TAONA SY NY FAMARANANA NY FAHOTANA

“Ny arivo taona dia ny fotoana hanjakan’i Kristy miaraka amin’ny olony masina any an-danitra eo anelanelan’ny fitsanganana voalohany sy faharoa. Mandritra izany fotoana izany dia hotsaraina ny ratsy fanahy izay maty ; ny tany dia ho foana tanteraka, tsy hisy olona velona honina eto, ankoatr’i Satana sy ny anjeliny. Amin’ny fiafaran’io fotoana io dia hidina avy any an-danitra ho ety an-tany Kristy sy ny olony masina ary ny tanàna masina. Hatsangana amin’ny maty ny tsy marina ary hiaraka amin’i Satana sy ny anjeliny hanodidina ny tanàna masina, saingy hisy afo avy amin’Andriamanitra handevona azy rehetra sy hanadio ny tany. Amin’izay izao tontolo izao dia ho afaka tanteraka amin’ny fahotana ary tsy hisy mpanota intsony mandrakizay”.

(Apok 20 – 1Kor 6:2,3 – Jer 4:23-26 – Apok 21:1-5 – Mal 3:19 – Ezek 28:18,19)

FOTO-PINOANA # 28 … NY TANY VAOVAO

“Ao amin’ny tany vaovao izay honenan’ny marina dia hanome trano maharitra mandrakizay ho an’ny voavonjy Andriamanitra, ary koa tontolo iainana tonga lafatra ho fiainana, fitiavana, fifaliana ary fianarana mandrakizay eo anatrehany. Andriamanitra mihitsy no hiara-monina amin’ny olony ao, ary tsy hisy intsony ny fahoriana sy ny fahafatesana. Hifarana ilay fifanandrinana lehibe ary tsy hisy intsony ny fahotana. Hanambara avokoa ny zavatra rehetra, na ny manan’aina na tsy manan’aina fa fitiavana Andriamaniatra, ary ho mandrakizay ny fanjakany”.

( 2Pet 3:13 – Isa 35 – Isa 65:17-25 – Mat 5:5 – Apok 21:1-7; 22:1-5; 11:15 )

Mampitombo ny fahalalana momba ny Lovan’ny fiangonana ka ireto avy no atao ho amin’izany :

Mamaky ny boky “Tantaran’ny Mpisavalalana” (The Pathfinder Story)Ity boky nosoratan’i John Hancock, iray amin’ny mpialoha lalana eo amin’ity sampana

mpisavalalana ity, ary vao avy nohavaozina ity, dia hanampy antsika hahatakatra bebe kokoa ny tanjon’ny nananganana ity sampana mpisavalalana ity eo amin’ny programan’asan’ny fiangonana. Nampahatsiahivina antsika fa “tsy misy zavatra tokony hatahorantsika ny

12

Page 13: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

amin’ny ho avy, afa-tsy ny hanadinoantsika ny fomba nitantanan’ny Tompo antsika tamin’ny lasa” (LS 196). Io boky kely io dia hanampy antsika hahatsiaro ny fomba nahalasa lavitra ity sampana mpisavalalana ity.

Mahazo ny “asa manavanana” momba ny Lovan’ny fiangonana advantista”

Iray amin’ireto fomba efatra ireto no mety hahazoana izany: Misy boky kely iray izay mamintina ny tantaran’ny fiangonantsika ary ampiasaina ho

Lovan’ny fiangonana tahaka ny ampiasana ny boky “Ny Tantaran’ny Mpisavalalana” ho an’ny mpisavalalana. “Ny Lovan’ny Fiangonana” no anaran’io boky io. Azonao alaina any amin’ny departemantan’ny tanora io boky io. Rehefa vita ny fianarana azy dia manao fanadinana.

Mahavita ny fianarana ny fizarana momba ny lovan’ny fiangonana ao amin’ny kilasim-pandrosoan’ny Mpisavalalana – Manomboka any amin’ny “Sakaiza” ka hatramin’ny “Mpitarika”.

Manatrika fampianarana momba ny tantaran’ny fiangonana any amin’iray amin’ireo sekolim-piangonantsika na manaraka amin’ny alalan’ny “Home Study International”.

Mahafeno ireo fepetra sivy ireto :1- Mamelabelatra am-bava na an-tsoratra fohifohy ny tantaran niforonan’ny fiangonana

advantista mitandrina ny andro fahafito eo amin’ny sahan’asa misy anao na ny firenenao, izay mahafaoka ireto manaraka ireto:

- Filazalazana ny mombamomba ireo mpialoha lalana (misionera vahiny sy ny tompontany)

- Ny daty sy ny toerana nisian’ny sekoly na/sy toeram-pitsaboana advantista voalohany indrindra raha toa ka nisy izany

- Filazalazana momba ny tobin’ny tanora eo amin’ny sahan’asa sy ny klioban’ny mpisavalalana.

2- Manangona na manao anaty boky ny famintimpintinana ny tantaran’ny fiangonana misy anao ary mahafaoka ireto manaraka ireto :

- Filazalazana ataon’ireo mambra tranainy, ny mpitantsoratra na/sy ny pasitora rehefa nifampiresadresaka taminy

- Filazalazana ny nanokafana ny sekoly, fikambanana, sampam-pitsaboana na sampan’asa advantista ho an’ny fiaraha-monina, ka misy ifandraisany amin’ny fiangonana misy anao

- Raha azo atao dia ataovy ao ny sarin’ny toerana, ny mambra sy ny sarin’ny pasitora teo aloha sy ny pasitora ankehitriny

- Manao sary tsotsotra maneho ny fifandraisana sy fiaraha-miasa misy eo amin’ny fiangonanao sy ny fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito maneran-tany

- Mandefa ny dika iray amin’ny tantara nosoratanao any amin’ny Local Church History Collection, Heritage Room, Loma Linda University Library Loma Linda, California 92350, USA sy any amin’ny General Conference Archives, 12501 Old Columbia Pike, Silver Spring, MD 20904, USA

3- Mamokatra tantara an-gazety na boky momba ny fitantarana ny finoana eo amin’ny fianakaviana ahitana ny anarana sy ny fivavahana narahan’ny razambenao, fara-fahakeliny tetiharana (génération) efatra talohanao. Raha azo atao dia lazao ao ny fiangonana nisy azy sy ny daty nanaovana batisa ny tsirairay tamin’izy ireo.

4- Mijery andiany roa amin’ilay andian-tantara an-tsary mitondra ny lohateny hoe “Keepers of the Flame” na roa amin’ny fandaharana “The Hall of Faith” na

13

Page 14: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

fandaharana hafa mitovitovy amin’izany. Manasa olona iray tsy fianakavianao hijery izany ary miady hevitra aminy momba ny votoatiny.

5- Mahafantatra ny tantaran’ny mpisavalalana izay voasoratra ao amin’ny boky “The Pathfinder Story” (Ny Tantaran’ny Mpisavalalana) ary manao famintinana fohy ny tantaran’ny Mpisavalalana ao amin’ny saha misy anao, na ny firenena.

6- Milaza ny maha-zava-dehibe ny dimy amin’ireto :- Battle Creek Sanitarium (Toeram-pitsaboana)- Dime Tabernacle- 1888 General Conference- Sabbath Conference- Systematic Benevolence- Three Angels Messages- 21 May 1863- Ny fihetsiketsehan-dry Miller sy ny tariny- 22 oktobra 1844- Ilay sambo misionera “Pitcairn”- Ny fahamarinana ankehitriny- Tract Society- Washington Hand Press- Wright, Michigan- Boky-gazety “Youth’sInstructor”

Azon’ny diviziona atao ny manampy ireo lisitra ireo.

7- Mianatra ny vokatry ny zavatra nataon’ny 7 amin’ireto olona manaraka ireto teo amin’ny tantaran’ny fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito:

- Martha Amadon - Joseph Bates - John N. Andrews- John Byington - M.B. Czechowski - Anna Knight- Hiram Edson - Kate Lindsay - William Foy- William Miller - John H. Hancock - Marcial Cerna- Rachel Oakes-Preston - John Harvey Kellog - George King- Annie Smith - Charles M. Kinney - Uriah Smith- James White - Luther Warren - Frederick WheelerAzon’ny diviziona atao ny manampy anarana hafa ao amin’io lisitra io.

8- Mahafantatra ny maha zava-dehibe ny dimy amin’ireto manaraka ireto izay mitantara ny fiainana sy ny asan’i Ellen White :

- Conflict of Ages Series (Hery Mifanandrina)- Ny Lovan’ny Ellen G. White- Elmshaven- Gorham, Maine- 5 Jona, 1863- Ny mpitondra hafatry ny Tompo (Lord’s messenger)- White Home in Battle Creek- Testimonies for the Church (Témoignages pour l’Eglise)- Visions (Fahitana)

9- Mandray anjara amin’ny tantara an-tsehatra roa na mitantara tantara roa (2) ho an’ny Sekoly Sabata, ny fiangonana (oh. Tantara ho an’ny ankizy), ny fotoam-pivavahana ao an-tsekoly na amin’ny toeram-piasana, tarika mpihira mitovy taona na ao amin’ny fivorian’ny mpisavalalana. (Fomba hafa azo atao ihany koa ny mandray anjara amin’ny tantara an-tsehatra iray sy manao tantara iray).

14

Page 15: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

Amin’ireto zavatra manaraka ireto no ifotoran’ny tantara an-tsehatra na tantara am-bava :- Ny tantaran’ny (finoana) Advantista ao amin’ny saha misy anao (na ao amin’ny firenena

na federasiona na misiona)- Ny tantaran’ny fiangonana misy anao- Momba ny toe-javatra niseho amin’ireo lisitra ao amin’ny fepetra laharana faha-6 na ny

amin’ny sasany amin’ireo olona voalaza ao amin’ny nº 7

Fanampiana ho an’ny mpampianatra momba ny zavatra voalaza ao amin’ny lisitra sivy etsy ambony ireto:

Ny loharanom-baovao tsara indrindra hamaliana ny fanontaniana sy hanatanterahana ireo fepetra sivy ireo dia ny Encyclopedia-n’ny fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito (Seventh-Day Adventist Encyclopedia), izay navoakan’ny trano fanontana gazety sy boky “the Review and Herald Publishing Association”. Ny andiam-boky laharana faha-10 amin’ny Seventh-Day Adventist Bible Commentary Series io Encyclopédie io. Azonao atao ny mividy io boky io ao amin’ny Adventist Book Centers na mindrana izany ao amin’ny toeram-pamakiam-boky (bibliothèque) eo amin’ny sekolim-piangonana na ny fiangonana misy anao. Raha toa ka tsy misy izany ao amin’ireo toerana ireo dia angamba ny pasitora mety manana. Tadiavo ao amin’ny boky ny anaran’ny saha misy anao ary vakio izay lazainy mikasika ny tantarany. Hita ao amin’ny encyclopédie-n’ny fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito ihany koa lahatsoratra samihafa mikasika ny sekoly ambaratonga faharoa, ny hopitaly advantista sy ny tantaram-piainan’ny mpialoha lalana nanana ny lazany manokana.

Ny loharanom-baovao fanampiny hamaliana io fanontaniana io angamba dia ny mety ho hita ao amin’ny fitantarana ny mombamomba ny fiangonana eo an-toeranaa na ny sekolim-piangonana izay novakiana na natao printy tamin’ny fankalazana ny tsingerintaonan’ilay tanana, na fihaonan’ny maintimolalin’ny sekoly, na amin’ireny boky gazety kely famoakan’ny sekoly ireny sy ny boky misy ny lisitry ny tsingerin-taonam-piangonana na ny boky isan-taona momba ny sekoly. Ny fitantanan’asa eo amin’ny saha misy anao koa mety manana filazalazana momba ny fiangonanao.

Anarana sy adiresin’ny fiangonana misy anao

Adiresin’ny saha misy anao (federasiona/misiona)

Adiresin’ny fivondronambe misy anao (Union)

Adiresin’ny Diviziona misy anao

15

Page 16: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

General Conference of Seventh-day Adventist12501 Old Columbia PikeSilver Spring, Maryland 20904 USA

Zava-dehibe ny lahatsoratra nataonao ho famenoana ny fepetra takiana mikasika ny fiangonana misy anao. Ny fanambarana momba ny fiangonana advantista amin’ny toerana tsirairay mantsy dia sarotra be ny mahazo azy ary tokony hotehirizina tsara. Rehefa mandefa dika iray any amin’ny “Heritage Room” any Loma Linda University, mba hanampy ny tahiry efa eo amin’izy ireo mikasika ny tantaran’ny fiangonana amin’ny toerana iray ianao dia tandremo sao adino ny anaran’ny fiangonanao, ny adiresy misy azy, ny daty nanoratana azy ary ny anaranao amin’ny maha-mpanoratra ilay izy.

Matetika dia sarotra ny manao fikarohana mikasika ny fianakavianao, indrindra amin’izao fiaraha-monina mifamoivoy be sy be korontana izao. Azonao atao anefa ny mahita fanambarana momba ny tantaran’ny fianakavianao avy any amin’ny ray aman-dreny, ny fianakaviana hafa na naman’ny fianakaviana efa ela. (Raha toa ka nisy amin’ny ankizy tsy manana fahafahana hanao ny tantaram-piainany manokana dia azony atao ny manao filazalazana momba ny fianakavian’ny namany iray izay mambran’ny fiangonana eo an-toerana).

Azonao atao ny mividy na mindrana ireo andian-tantara na programa (fandaharana) ireo any amin’ny fivarotam-boky advantista akaiky anao indrindra. Na koa mety afaka mindrana izany any amin’ny sekoly advantista na ny biraon’ny saha misy anao ianao. Aza adino ny manao ny fepetra tapany faharoa. Ny ankamaroan’ny fiangonana dia manana mambra efa lehibe na manana fahasembanana ara-batana izay tsy afaka mamonjy fiangonana intsony. Maro amin’izy ireny no ho faly noho ny ahatongavanao any aminy. Alohan’ny handehananao any anefa dia aza adino ny mifandamina aminy sy milaza mialoha ny fotoana andehananao any ; aza mandeha tsy mampilaza.

Misy dika efa nohavaozina amin’ireo boky voalaza ireo any amin’ny departemantan’ny tanora ao amin’ny saha misy anao na any amin’ny Foibe Eran-tany (Conférence Générale)

Akoatra ny famintinana kely omena manaraka etoana dia afaka ahitanao bebe kokoa momba ireo ao amin’ny encyclopédie an’ny fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito.

Battle Creek Sanitarium : notokanana tamin’ny 1866 tamin’ny anarana hoe “Western Health Reform Institute” tany Battle Creek izy io izay toeram-pitsaboana advantista voalohany indrindra. Novain’i Dr John Harvey Kellog izany tamin’ny 1877 ary niova ho “Battle Creek Sanitarium”. Nahazo laza maneran-tany izany toeram-pitsaboana izany noho ny fikarakarana ara-pahasalamana sy ara-pitsaboana. Nisokatra tamin’ny 1883 ny sekolintsika voalohany manofana mpitsabo mpanampy, izay nifandray amin’ny Sanitarium, ary ny taona 1895 no nisokafan’ny toeram-panofanana mpitsabo advantista voalohany. Nosimban’ny afo izany trano izany ny 1902, nefa dia voatsangana indray ny taona manaraka io. Nandao ny fiangonana ny Dr Kellog ny taona 1907 ary nalainy tamin’ny anarany ihany koa ny Sanitarium. Mbola mijoro ao Battle Creek hatramin’izao fotoana izao eo Sanitarium teo aloha io ary fantatra amin’ny anarana hoe “Federal Center”.

Dime Tabernacle: fahefatra natsangana tao Battle Creek, Michigan ny fiangonana advantista lehibe mitondra ny anarana hoe “Dime Tabernacle”. Notokanana tamin’ny 20 aprily 1879 io fiangonana io ary mahafeno seza ho an’olona eo amin’ny efatra arivo

16

Page 17: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

(4.000) eo. Ny fomba nanangonam-bola tamin’ny fananganana azy no nahatonga izany anarana hafahafa izany. Nanasa ny olona i James White mba hanao fanomezana “dime” iray (vola vy ampahafolon’ny dolara amerikana iray) isam-bolana nandritra ny taona iray ho fananganana azy. Toerana fanaovana fivorian’ny Conférence Générale maromaro io fiangonana io, ary anisan’izany ny fivoriana malaza natao tamin’ny 1901, izay nandaminana indray ny fomba fitantanan’asan’ny fiangonana misy antsika ankehitriny. Tao amin’io fiangonana io no natao ny fotoam-pivavahana tamin’ny fahafatesan’i James sy Ellen White. May anefa izany tranobe izany ny 3 janoary 1922.

1888 General Conference: iray amin’ny fivorian’ny Foibe Eran-tany (Conférence Générale) nalaza indrindra izay natao tany Minneapolis, Minnesota, nanomboka tamin’ny 17 oktobra io. Nandritra io fivoriana io no namelabelaran’ny loholona E.J.Waggoner sy A.T. Jones ny momba ny fanamarinana amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy, teo amin’ireo solontenam-piangonana nanatrika teo. Niray hevitra tamin’izy roa lahy i Ellen White. Tsy nanaiky izany fampianarana izany ny sasany tamin’ireo mpanatrika ireo ary ny sasany kosa dia tena nanohitra izany am-pahibemaso mihitsy. Ireo izay nanaiky kosa, ho azy ireo dia nitondra fiovana lehibe teo amin’ny fanandramana kristiana ho an’ny tenany manokana izany fivoriana izany.

21 May 1863: Tamin’io andro io no nananganana ny fandaminana ny Foibe Eran-tany ho an’ny fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito tany Battle Creek tao Michigan. Olona roapolo, solontena avy amin’ny saha fito efa nisy tamin’izany fotoana izany no nifidy ny loholona John Byington ho filoha voalohan’izany fandaminana vaovao izany.

Ny fihetsehan’ny Miller sy ny mpanaradia azy (“mouvement millérite”): firaisan’antokom-pivavahana anankiray mitondra ny anaran’i William Miller, mpiompy batista nanjary lasa mpitory teny, izay mpitondra teny voalohan’ny antoko. Niroborobo izany fihetsehana izany tany Etazonia, sy tany amin’ny toerana sasantsasany ivelan’i Etazonia, tao anelanelan’ny taona 1840 ka hatramin’ny 1844. Nifototra indrindra tamin’ny fahaizana momba ny faminaniana ara-baiboly izay milaza ny hiverenan’i Kristy ny taona 1843 na 1844 izany fihetsehana izany ary taty aoriana dia niteraka antokom-pivavahana fantatra amin’ny anarana hoe Advantista, ary ny fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito no lehibe indrindra amin’ireny.

22 oktobra 1844: Na dia tsy nametraka daty raikitra momba ny fotoana hihavian’i Kristy fanindroany aza i William Miller, dia noheveriny fa hitranga amin’ny taona 1843 na 1844 izany. Ny sasany, toa an-dry Samuel S. Snow dia nihevitra fa raha toa ka hodiovina amin’ny faran’ny fe-potoana ara-paminaniana 2300 andro, arak’izay voalaza ao amin’ny Daniela 8:14 ny fitoerana masina, dia tokony amin’ny Andro Fanavotana Jiosy izany no atao, izay raha araky ny fanisan’andron’ny Jiosy dia ny 22 oktobra 1844.

Sambo misionera “Pitcairn” (Pitcairn Missionary Ship): Natokana hividianana sambo misionera voalohany ny fanatitry ny Sekoly Sabata. Notokanana izany ny taona 1890, ka avy dia tany amin’ny Nosy Pitcairn tany Pasifika Atsimo no nitodiany voalohany indrindra. Nandritra ny folo taona nanaraka iny dia nanao dia misionera enina hafa izany sambo Pitcairn izany, nanangana sahan’asan’ny advantista mitandrina ny andro fahafito tany amin’ny nosy maro manerana ny Pasifika Atsimo. Lafo loatra ny enti-manana hikarakarana izany ka namidy izany ny taona 1900, ny fitaterana ara-barotra mampitohy ireo nosy moa tamin’izany efa azo lazaina fa nisy fandrosoana be ihany.

17

Page 18: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

Ny fahamarinana ankehitriny: io no boky gazety voalohany navoakan’i James White ho an’ny antokon’olona mitandrina ny Sabata, dia ny fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito. Karazana iraika ambin’ny folo tamin’io gazety kely io no nivoaka tao anelanelan’ny 1849 sy 1850; mifototra amin’ny fahamarinana inoan’ny fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito ny fivoahana tsirairay. Ny taona 1850 dia namoaka gazety faharoa i James White izay nitondra ny lohateny hoe “The Advent Review” (gazety famoasan-kevitra advantista). Taty amin’ny faramparan’io taona io dia natambatra ho gazety iray ireo karazan-gazety roa ireo ary lasa gazety ofisialin’ny fiangonana; “The Advent Review & Sabbath Herald” no lohateny tamin’izany, ary antsoina tsotra hoe “The Advent Review” ankehitriny.

Konferansa mikasika ny Sabata: antsoina ihany koa hoe “Konferansa momba ny Sabata sy ny Fitoerana Masina”. Fihaonana mandritra ny faran’ny herinandro izay natao tamin’ny toerana maro manerana ny Avaratra atsinanan’i Etazonia izy io, ny 1848 ka hatramin’ny 1850. Nandritra ireny fihaonana ireny no namelabelarana tamin’ny fandinihana lalina ny baiboly sy ny vavaka be, ny foto-pinoana fototra ijoroan’ny fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito. Anisan’ny mpanatrika tamin’ireny i James sy Ellen White ary i Joseph Bates. Kaonferansa enina no natao tamin’ny 1848, enina tamin’ny 1849 ary folo tamin’ny 1850. Nisy fotoana rehefa misy fahamarinana fototra iray mazava mitranga mandritra ny fianarana baiboly dia nanome fahitana an’i Ellen White Andriamanitra, nanamarinana izay noratoviny tamin’ny fianarany ny baiboly sy ny fivavahany.

Asa fiantrana voalamina tsara: nampiasaina manokana hiantsoana ny fomba famatsiana ara-bola ny asa fampielezana ny filazantsara nataon’ny fiangonana io fomba fiteny io, hatramin’ny faraparan’ny taona 1870. Talohan’ny 1859 izay taona nampijoroana io “Asa fiantrana voalamina tsara” io, dia niato-tena ny mpitandrina ho fanampin’ny fanomezana omen’ny mpino azy ireo tsindraindray eny. Tamin’ny nananganana io fandaharan’asa io dia tsy ny ampahafolon-karena araky ny ataontsika ankehitriny akory izy io raha ny tena izy, fa kosa arakaraky ny harenao no anomezanao. Tsikelikely teny dia notoroana hevitra ny olona hamerina ny tena ampahafolon’ny harena miditra aminy, araky ny fampianaran’ny baiboly. Ny ampahafolony atolotsika ankehitriny io no najoron’ny fiangonana tamin’ny fomba ofisialy ny taona 1878.

Ny Hafatry ny Anjely Telo: ny hafatra ara-paminaniana voasoratra ao amin’ny Apok.14:6-11 dia miely amin’ny alalan’ny anjely telo manidina eo afovoan’ny lanitra. Ny tontolon-kevitry ny hafatra dia ny antso farany ataon’Andriamanitra ho an’izao tontolo izao mba hanaiky ny famonjen’i Kristy sy hiomana ho amin’ny fiaviany izay efa akaiky tokoa, izay aseho an-tsary amin’ireo andininy manaraka. Ny hafatry ny anjely voalohany (Apok.14:6,7) dia ny fampielezana ny “filazantsara mandrakizay” momba ny famonjen’i Jesosy Kristy “fa tonga ny andro fitsarana”. Ny hafatry ny anjely faharoa (Apok.14:8) dia fanambarana manetriketrika fa “rava Babylona lehibe”, miaraka amin’ny antso fampitandremana ho an’ny olon’Andriamanitra mba “hiala ao aminy”. Ny anjely fahatelo (Apok.14:9-11) dia manambara ny firotsahan’ny fahatezeran’Andriamanitra tsy miharoharo zavatra, izany hoe fahatezerana tsy mifangaro famindrampo, amin’ireo izay miankohoka amin’ny bibidia sy ny sariny ary izay mandray ny marik’izy ireo.

Ny asa nanirahana ny fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito eto an-tany dia ny hampiely ny hafatry ny filazantsara mandrakizay amin’ny “firenena rehetra, sy ny fokom-pirenena, sy ny samy hafa fiteny, ary ny olona rehetra”, hiantso azy ireo mba hiankohoka amin’Andriamanitra amin’ny maha-Mpamorona azy ireo Azy, “fa tonga ny

18

Page 19: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

andro fitsarana” (amin’izao fotoana izao dia ny fitsarana famotopotorana) ; sy hiala avy ao Babylona be fisavorovoroana sy fampianaran-diso ; ary amin’ny fizahan-toetra farany dia hijoro tsy azo hozongozonina hanohitra ny fiankohofana amin’ny bibidia sy hifikitra tanteraka eo amin’ny foto-kevitra kristiana dia “ny didin’Andriamanitra sy ny finoana an’i Jesosy” (Apok.14:12)

Tract Society: razamben’ny antsointsika ankehitriny hoe Adventist Book Centers (fivarotam-boky advantista) sy ireo fihetsiketsehana samihafa tarihin’ny sampana mikarakara ny asa fitoriana ataon’ny tena manokana (Ministère Personnel). Antokom-behivavy tao atsimon’i Lancaster, any Massachussetts, no nanangana ny “Tract Society” voalohany tamin’ny 1869. Noraisin’ny Foibe Eran-tany izany hevitra izany ny 1874. Mikarakara manokana ny fampielezana ny lahatsoratra am-boky sy gazety an’ny advantista mitandrina ny andro fahafito, ny fitoriana ny filazantsara amin’ny taratasy ifandefasana, famangiana ataon’ireo mpitory an-tsitrapo, sy asa fanampiana sy fanasoavana ny mahantra.

Washington Hand Press: ny milina fanaovam-pirinty ataon-tanana voalohany nananan’ny fiangonana, izay vao teo an-dalam-pivoarana indrindra ny “Washington Han Press”. Niantohan’i Hiram Edson aloha ny vola nividianana azy tamin’ny 1852. Naorin’i James White tany Rochester, tany New York izany milina fanontana izany ary nafindra tany Battle Creek, Michigan izany taty aoriana, ny taona 1855. Niainga avy tamin’io milina fanontana, izay nitentina $ 652.00 fony izy novidiana, io avokoa ny asa famoaham-bokin’ny fiangonana maneran-tany, ao anatin’izany ny trano printy miisa 50 mahery tantanan’ny fiangonana ankehitriny. Simba izany milina voalohany izany tamin’ny fotoana nirehetan’ny trano lehibe “Review and Herald Publishing Company”.

Wright Michigan: ny lasy fihaonana ofisialy voalohan’ny fiangonana dia natao tany Wright, any Michigan, ny taona 1868. Ny taona talohan’io nanaovan’ny Wisconsin Conference lasy fihaonana tany Johnstown Center, any Wisconsin. Noho ny fahombiazan’io lasy io dia nampiantso lasy fihaonana ho an’ny fiangonana rehetra eran-tany i James White, izay hatao ny taona manaraka. Olona eo amin’ny 2000 teo ho eo no nanatrika izany.

Lasy fihaonana efa ho 150 mahery no nokarakarain’ny Advantista mpanaraka an’i Miller tamin’ny fanombohan’ny taona 1840 sy ny taona vitsivitsy nanaraka azy. Novinavinaina ho 500 000 olona no nanatrika ireny teo anelanelan’ny taona 1842 sy 1844. Rehefa nofohazin’i James White indray izany tamin’ny taona 1860 sy ny taona nanaraka azy dia lasa fitaovana lehibe ho fitoriana ny filazantsara ho an’ny vahiny nanatrika izany ary fifohazam-pinoana ho an’ny mambran’ny fiangonana.

Tari-dalana ho an’ny tanora (The Youth Instructor): nivoaka teo anelanelan’ny 1852 sy 1970 ny boky gazety voalohany ho an’ny tanoran’ny fiangonana. Hevitra avy tany amin’i James White izay nanomboka ny famoahana azy izany, hanomezana fitaovana ara-panahy manokana ho an’ny tanora. Rehefa niha-nitombo ny fiangonana, dia hita ihany koa ny filàna karazan-gazety hafa natokana ho an’ny mpamaky anaty sokajin-taona samihafa. “Our Little Friend” (Notre Petit Ami – Ilay sakaizakelintsika) no voalohany nivoaka tamin’izany tamin’ny 1890, “Guide” (Mpitarika) tamin’ny 1953, “Primary Treasure” (Voalohan-karena) tamin’ny 1857, ary “Insight” no nasolo ny “Youth Instructor” tamin’ny taona 1970. (Ny “The M.V. Kit” no nampiasaina teo aloha ho fanampiana ny mpitarika tanora ary “Accent” kosa ankehitriny).

19

Page 20: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

Ny loharanon-kevitra tsara indrindra momba ny fitantanana fohy ny fiainan’ireto olona lazaina manaraka ireto dia ao amin’ny Encyclopedian’ny fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito. Mety misy amin’ny tantaran’izy ireo efa voasoritsoritra lalindalina kokoa tamin’ny lasa, ary ny sasany mbola havoaka amin’ny ho avy. Nataonay lisitra manaraka etoana ny momba ireo izay efa voasoratra tamin’ny lasa, izay azonao alaina any amin’ny toeram-pamakiam-bokin’ny sekolim-piangonana sy amin’ny toerana hafa koa.

Martha D. (Byington) Amadon (1834-1937): izy no mpampianatra voalohany tamin’ny advantista mitandrina ny andro fahafito iray. Ny rainy, John Byington, no nanangana ny sekolim-piangonana voalohany tao Buck’s Bridge, tany New York, ny taona 1853.

Boky filan-kevitra hafa Covingtion, Ava M. “They Also Served”, Review 1940, p.179-190

John Nevins Andrews (1829-1883): Ny loholona J. N. Andrews no misionera advantista mitandrina ny andro fahafito ofisialy voalohany nahazo iraka hiasa any amin’ny firenena ivelan’ny Amerika Avaratra. Teraka tany Poland, Maine izy ary 17 taona izy fony nanaiky ny fahamarinana momba ny Sabata. Nanomboka ny asa maha-mpitandrina azy izy tamin’ny faha-21 taonany. Taty aoriana dia tonga filohan’ny Foibe Eran-tany izy (1867-1869) sady mpiadidy ny gazety (éditeur) “The Advent Review and Sabbath Herald” (1869-1870). Ny taona 1874 dia nanao dia tany Eoropa izy ary nanangana ny sahan’asa voalohany tany ivelan’ny Amerika Avaratra, tany Switzerland. Tany amin’io toerana io koa no nanombohany namoaka gazety bokim-piangonana voalohany natonta tany amin’ny tany ivelan’ny Etazonia, dia ny “Signs of the Times” amin’ny teny frantsay (Les Signes des Temps). Teolojiana nanana ny lazany teo amin’ny fiangonana ny loholona Andrews. Anisany amin’ireo zavatra hafa, tamin’ny 1855 dia hitany avy tamin’ny fandinihina ny baiboly ihany koa fa tokony manomboka ny zoma maty masoandro ka hatramin’ny sabotsy alina ny fitandremana ny Sabata. Talohan’io fotoana io ny mpamaky lain’ny finoantsika dia efa nitandrina ny Sabata nanomboka ny zoma tamin’ny 6 ora hariva hatramin’ny Sabotsy hariva tamin’ny 6 ora, araky ny fampianaran’ny loholona Joseph Bates. Ho fanampin’izany rehetra izany, dia mbola filamatra mikasika io resaka Sabata io, ny boky nosoratan’ny loholona Andrews “History of Sabbath” (Ny tantaran’ny Sabata), izay efa natonta imbetsaka.

Boky filan-kevitra hafaLeonard, Harry, J. N. Andrews : The Man and the Mission, Andrews University Press, 1985

Joseph Bates (1792-1872): iray amin’ireo olona telo mpanangana ny fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito i Joseph Bates. Tantsambo ny asany raha vao tanora herotrerony izy ary nanjary kapitenin’ny sambo izay azy manokana izy taty aoriana. Nitsahatra tamin’ny maha tantsambo azy izy tamin’ny 1828. Nandritra ny fotoana nandehanany teny an-dranomasina teny dia niala tamin’ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola sy divay, ary ny fifohana sigara sy ny fitenenan-dratsy izy. Taty aoriana, fotoana fohy talohan’ny 1838 dia nialany ihany koa ny fampiasana dite sy kafe ary nanodidina ny taona 1843 teo tsy nihinan-kena sy sakafo matavy intsony izy. Nandritra ny fihetsehan-dry Miller sy ny mpanaraka azy ny taona 1840 sy ny manaraka dia anisan’ireo izay nino ny fiavian’i Kristy fanindroany tsy ho ela intsony i Joseph Bates. Taorian’ny fahadisoam-panantenana lehibe tamin’ny taona 1844, ny taona 1845

20

Page 21: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

dia nanaiky ny fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito ny loholona Bates ary nanoratra boky kely mamelabelatra ny fanajana ny Sabata izy ny taona 1846. Namaky izany boky kelin’i Bates izany i James sy Ellen White ary rehefa nianatra ny anton’ny fitandremana ny Sabata tao amin’ny baiboly izy dia nanomboka nitandrina ny Sabata andro fahafito koa.

Nandany taona maro nanangana fiangonana ny loholona Bates ary satria moa tamin’izany isika mbola tsy nanana seminera hanofanana pasitera dia izy no nampianatra tanora zazalahy hanao ny asan’ny mpitory ny filazantsara. Rehefa tafiditra tamin’ny fandaminana ara-dalana ny fiangonana tamin’ny fanombohan’ny 1860 sy ny taona nanaraka izany dia i Bates no antsoina matetika hitarika fivoriana. Ny taona 1863, rehefa nandray ny fahitana mikasika ny fanavaozana ara-pahasalamana i Ellen White dia nanomboka namelabelatra tamin’ny fivorian-dehibe ny mahamety ny fomba fiaina ara-pahasalamana izay efa niainany hatry ny ela. Talohan’izany dia notazoniny ho azy irery ny fomba fijeriny. Maty ramatoa Prudence vadiny ny taona 1870, izy kosa mbola nanohy ny asany ihany, nitarika fivoriana tsy latsaky ny zato ny taona 1871, iray taona talohan’ny nahafatesany.

Boky filan-kevitra hafa Robinson, Virgil, Calvin Boy to Advent Crusader, Review, natonta indray tamin’ny 1992.

John Byington (1798-1887): vao tanora kely izy dia efa liana tamin’ny zavatra ara-panahy ary mpandray anjara mavitrika tamin’ny fiangonana maro izy hatramin’ny faha-54 taonany amin’ny maha laika sy mpitory teny azy. Tamin’ny 1852, dia namaky iray tamin’ny boky gazety “Review and Herald” izy ary resy lahatra ka nanomboka nanaja ny Sabata. Nanokatra fivoriana isan-tSabata tao amin’ny tranony i Byington ary nanorina ny iray amin’ny fiangonana advantista voalohany tao amin’ny taniny. Nanangana ny iray amin’ireo Sekoly Sabata voalohany teo amin’ny fiangonantsika izy ary nanokatra ny sekolim-piangonana voalohany indrindra.

Ny taona 1858, i Dada Byington (izay moa no anarana feno fitiavana niantsoan’ny maro azy be taona indrindra mihoatra nohon’ny mpitandrina namany izy) dia nifindra monina tany Michigan ary nandany 15 taona niasany ho mpitory mandehandeha tsy karamaina. Niara-niasa akaiky tokoa tamin’i J. N. Andrews sy James White izy tamin’ny fanaovana ny fandaminana ny fiangonana eo an-dalam-pitomboana. Ny loholona John Byington no voafidy ho filoha voalohan’ny Foibe Eran-tany rehefa voalamina ny fiangonana ny taona 1863. Niasa tao izy nandritra ny taona anankiroa.

Filan-kevitra fanampiny Ochs, Daniel & Grace, Lillian, “The Past and the Presidents”, Southern Pub, 1974.

Michael Belina Czechowski (1818-1876): teraka ary notezaina tao anatin’ny fiangonana katolika romana mba ho tonga pretra i Czechowski. Alohan’ny hahatongavany tany (Amerika) Etazonia anefa dia nilaozany ny taniny sy ny maha-pretra azy. Niditra ho isan’ny mpanaraka ny fihetsehana advantista izy rehefa nanaraka fihaonana anaty lay nandritra ny andro vitsivitsy tany Ohio, tamin’ny 1857. Nanao dia misionera tany Eoropa i Czechowski tamin’ny 1864 ary na dia tsy ny fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito aza no nanohana azy ara-pitaovana dia nampianatra ny foto-pinoantsika izy. Niasa tany Italia, Soisa ary Romania izy. Tany Soisa no nananganany ilay fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito izay heverina fa fiangonana advantista

21

Page 22: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

mitandrina ny andro fahafito voalohany tany Eoropa. Filan-kevitra fanampiny Nowlan, Connie Wells, The Man Wouldn’t Listen, Pacific Press, 1982

Hiram Edson (1806-1882): Advantista tao amin’ny tarik’i Miller izy no nivadika ho advantista mitandrina ny Sabata. Laika fanta-daza teo amin’ny fiatombohan’ity fihetsiketsehan ity i Edson. Ny maraina taorian’ny 22 oktobra 1844 dia anisan’ireo izay nahazo an-tsaina voalohany ny antony tsy niverenan’i Jesosy Kristy tamin’io daty voatondro izay niandrasana Azy io Izy. Namakivaky tany katsaka iray handeha hamangy millerita (mpanaraka ny fampianaran’i Miller) tratr’ilay fahadisoam-panantenana lehibe i Edson sy ny namany iray (heverina ho O.R.L. Crosier ilehio), no tonga tampoka tao amin’izy ireo ny fahazavana voalohany. Azon’i Edson tsara izay fa hay i Kristy tamin’iny andro iny tsy mbola hiverina eto an-tany arak’izay ninoan’izy ireo, fa niditra ao amin’ny Fitoerana Masina Indrindra mba hanao asa fanadiovana manokana alohan’ny tena hiverenany eto an-tany. Navoaka tamin’ny lahatsoratra an-gazety tao amin’ny “Day-Star Extra” ny vokatry ny fanadihadihana nataon’i Edson sy Crosier ary ny namany iray hafa dia i Dr F.B. Hahn’s ny 7 Fevroary 1846. Taty aoriana dia nifandray manokana tamin’ny loholona Joseph Bates sy James White izy ary nosoratana tamin’ny fomba hentitra sy milamina, tamin’ny fotoana nilàna azy indrindra, ny foto-pinoan’ny fiangonana momba ny Fitoerana Masina vokatry ny fandinihana misimisy kokoa mikasika io tao amin’ny baiboly. Taty aoriana dia nivarotra toeram-piompiana roa i Edson mba hanohanana ilay fihetsehana vao miana-manidina izay lasa ho fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito taty aoriana mandraka ankehitriny. Efa taty aoriana be izy vao nahazo fanosorana ho mpitandrina.

Filan-kevitra fanampinyTsy misy aloha hatramin’izao

William Foy (1818-1893): fony tanora herotrerony i Foy dia efa mpitandrina batista “Freewill”. Taty aoriana rehefa tonga anisan’ny fihetsehana millerita izy dia nandray fahitana tamin’ny 1842 sy 1845. Nozarainy tamin’ny hafa izany fahitana izany ary tamin’ny 1842 sy 1845 dia navoaka tamin’ny lahatsoratra an-gazety bokikely. Na dia lehilahy mainty hoditra efa afaka tamin’ny maha-andevo azy aza i Foy tany New England dia nolazainy fa niaritra fitsaratsarana mialohan sy fanaratsiana izy noho ny volokodiny ary izay no naha-sarotsarotra kokoa ny hanaiky ny fahitana azony ho an’ny olona sasany nandre izany. Tsy isalasalana koa fa ny fanaratsian’ny millerita ireo izay milaza ho mahita fahitana dia nanampy trotraka. Iray tamin’ireo izay nandre azy sy nanaiky ny maha-tena izy ny fahitana azo i Ellen Harmon (izay niova ho White).

Taorian’ny fahadisoam-panantenana lehibe tamin’ny 22 oktobra 1844 dia nahazo fahitana iray hafa indray i Foy, saingy tsy azony ny dikan’izany fahitana izany ka tsy nolazalazainy tamin’ny hafa. Nijanona ho mpitandrina izy nandritra ny androny sisa, niasa tany amin’ny fiangonan’ny mpino tany amin’ny toerana maro tany Maine. Tsy nahazo fahitana hafa intsony anefa izy ary tsy nanana fifandraisana hafa tamin’ny advantista.

Filan-kevitra fanampinyBaker, Delbert, The Unknown Prophet, Review, 1987

John H. Hancock (1917-2001): Teraka tany Chico, tany California i John Hancock tamin’ny 8 aogositra, 1917. Nianatra tao amin’ny Pacific Union College izy ary nahazo

22

Page 23: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

mari-pahaizana manokana tamin’ny fivavahana sy ny fanabeazana tamin’ny 1939. Tamin’iny taona iny ihany dia nanomboka ny asan’ny mpitandrina tany avaratr’i California izy. Nifindra niaraka tamin’ny ankohonany tany atsimon’i California izy tamin’ny 1944, ary lasa filohan’ny departemantan’ny tanora tany amin’izany saha izany izy roa taona taty aoriana. Ny taona 1951 dia nantsoina ho filohan’ny departemantan’ny tanora tany amin’ny sahan’ny Lake Union Conference izy ary 1954 dia nanaiky ny antso ho filohan’ny departemantan’ny tanora tany amin’ny Union Pasifika Avaratra. Nitana izany andraikitra izany izy hatramin’ny 1963 izay fotoana niantsoana azy ho filohan’ny fikambanana mpisavalalana maneran-tany ao amin’ny Foibe Eran-tany. Ny taona 1970 izy dia lasa filohan’ny fikambanana tanora maneran-tany. Taorian’ny fisotroan-drononony tamin’ny 1980 dia niasa tao amin’ny Ellen G. White Estate izy hatramin’ny 1983.

Fony izy tany atsimo atsinanan’i California dia niara-nisa tamin’olon-kafa mba hampandeha ny programan’ny klioban’ny Mpisavalalana, nandritran’ny fihaonana voalohany natao tany Riverside. Izy no namorona ny marika hahafantarana ny mpisavalalana (“emblème”) voalohany ary nanampy tamin’ny fanoratana ny tari-dalàna ho an’ny mpitarika ny mpisavalalana. Ny nahafantaran’ny maro an’i zokilahy Hancock dia noho izy tsy misaraka amin’ny accordéon-ny mihitsy rehefa mandeha dia laviatra mitety tany. Ampiasainy izany rehefa mampianatra hira vaovao ho an’ny tanora an’arivony maneran-tany izy. Izy no namorona ny ankamaroan’ireo sary amin’ny asa manavanana ary mpanao sary ho an’ny boky maro ihany koa izy. Nanangana foiben’ny tanora mitondra ny anarany “John Hancock Youth Center” ny La Sierra University mba ho fanomezam-boninahitra azy.

Filan-kevitra fanampiny Tsy misy aloha hatramin’izao

John Harvey Kellogg, M.D. (1852-1943): Tao Michigan no tanana nahalehibe azy ary tao koa no nahenon-drainy ny hafatra ka nidirany ho isan’ny fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito. Tamin’ny taona 1873, raha mbola tena tanora tokoa i Kellogg, dia namporisihin’i loholona James White mba hanao dokotera. Rehefa tapitra ny roa taona nianarany tamin’ny 1876 dia natao mpitondra raharaha medikaly tao amin’ny Western Health Reform Institute i Dr Kellogg ; io no toeram-pitsaboana voalohany miankina tamin’ny fiangonana. Tsy ela taty aoriana dia novainy ho “Battle Creek Sanitarium” ny anaran’ilay toerana.

Nandritra ny 70 taona teo no ho eo naha-talen’ny Sanitarium an’i Dr Kellogg dia nanampy tamin’ny fanokafana ny sekolim-piangonana voalohany ho an’ny mpitsabo mpanampy izy, nampandroso sy nampivelatra ny asa fitsaboana ataon’ny fiangonana, nanampy tamin’ny fananganana ny sekoly mpanofana mpitsabo voalohany niankina amin’ny fiangonana, nanamboatra serealy (voan-java-maniry toy ny vary sy katsaka) fisafisahana, azo tehirizina sy karazan-tsakafo solon’ny hena, nanoratra boky maro sy bokikely mifono taratasy sy lahatsoratra an-gazety momba ny fahasalamana sy ny fitsaboana, nanao dia lavitra maro nitety tany nanao fanabeazana ara-pahasalamana, ary namorona fitaovam-pitsaboana isan-karazany. Rehefa may ny Sanitarium tamin’ny 1902 dia nanangana trano lehibe kokoa i Dr Kellogg, tsy nifanaraka tamin’ny torohevitr’i Ellen White anefa izany. Tsy nifanaraka tamin’ny fiangonana ihany koa izy mikasika hevitra ara-teolojika sasantsasany. Tamin’ny 1907 izy dia notsipihana ny anarany teo amin’ny fiangonana. tamin’ny fotoana nialany dia nahita fahombiazana izy teo amin’ny nakana ny Sanitarium nanaraka azy. Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka

23

Page 24: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy nandritra ny fiainany sisa, na dia tsy niverina tao amin’ny fiangonana intsony aza.

Filan-kevitra fanampiny Schawrz, Richard W, Ph.D., “John Harvey Kellogg”, M.D., Andrews University Press, 1970.

George Albert King (1847-1906): teraka tany Canada i King ary naniry ny ho tonga mpitory teny izy nefa lasa mpivarotra ny boky nosoratan’i Dr Kellogg sy boky gazety hafa. Nahatonga hevitra tao an-tsainy anefa izany. Nanoso-kevitra izy ny mba hanakambanana ny boky nosoratan’i Uriah Smith mitondra ny lohateny hoe “Thoughts on Daniel” (Fandalinana ny bokin’i Daniela) sy “Thoughts on Revelation” (Fandalianana ny bokin’ny Apokalipsy) ary hivarotana izany ho a’ny sarababem-bahoaka. Natao izany ary i King no volaohany nanomboka ilay antsointsika ankehitriny hoe asa fampielezam-boky evanjelika.

Filan-kevitra fanampiny Lantery, Kimber J., “The King Who Couldn’t Preach”, Pacific Press, 1980

Charles M. Kinney (1855-1951): Fony tanora i Charles Kinney dia niasa tany Reno, Nevada. Rehefa nanatrika fivoriana fitoriana ny filazantsara nataon’ny loholona J. N. Loughborough i Kinney dia nanaiky ny finoana advantista mitandrina ny andro fahafito. Taty aoriana dia nianatra tao amin’ny Healdsburg College tao California izy ary tonga mpampiely boky tao Kansas. Tamin’ny 1889 dia nanomboka niasa tao Louisville, Kentucky i Kinney. Tamin’io taona io ihany dia nohosorana ho mpitandrina izy, izay advantista mitandrina ny andro fahafito mainty hoditra voalohany nohosorana tamin’izany. Nisotro ronono izy tamin’ny 1911.

Filan-kevitra fanampiny Tsy misy aloha hatramin’izao

Anna Knight (1874-1972): Tena voafetra tokoa ny fahafaha-nianatra ho an’ny zaza mainty hoditra tany Mississipi nandritra ny taona nihalehibeazan’i Anna Knight. Noho ny finiavana lehibe nananany dia nampianatra ny tenany hamaky teny sy hanoratra izy, na dia tsy nanana fahafahana nankanyan-tsekoly aza. Taty aoriana dia naharay dika iray avy tamin’ny boky gazety “Signes des Temps” izy ary noho ny famakiany izany dia lasa advantista mitandrina ny andro fahafito. Nony farany dia afaka nankany an-tsekoly ihany izy. Nianatra tao amin’ny Mount Vernon Academy tany Ohio izy ary taty aoriana tamin’ny 1898 dia nivoaka ho mpitsabo mpanampy misionera avy tao amin’ny Battle Creek College izy. Avy teo dia niverina tany amin’ny tanindrazany tany Mississipi izy ary nanangana sekoly tsy miankina ho an’ny zaza mainty hoditra. Tamin’ny taona 1901 izy dia voatendry ho misionera tany Inde ; izy no vehivavy misionera mainty hoditra voalohany voatendry hiasa tany ivelan’ny Etazonia. Rehefa niverina tany an-tanindrazana izy dia nitana toerana maro tao amin’ny asa fanabeazana teo amin’ny fiangonana.

Filan-kevitra fanampiny Maxwell, Patricia, “Journey to Freedom”, Pacific Press, 1987

Kate Lindsay (1842-1923): Amin’ny maha dokotera vehivavin’ny fiangonana azy dia nanangana ny sekoly ho an’ny mpitsabo mpanampy, izay an’ny fiangonana, tao Battle Creek Sanitarium i Dr Lindsay tamin’ny taona 1888. Ny taona 1895 dia nandeha tany

24

Page 25: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

Afrika Atsimo izy nanao misionera. Rehefa niverina tany Etazonia izy, dia niasa 20 taona tao amin’ny toeram-pitsaboana tany Boulder, Colorado.

Filan-kevitra fanampiny Nelson, Kathryn Jensen, “Kate Lindsay”, M.D., Southern Pub.,1963.

William Miller (1782-1849): Mpiompy Amerikana lasa mpitory teny batista i Miller. Hitany tao amin’ny fandalinana ny faminaniana ara-baiboly fa hiverina eo anelanelan’ny taona 1843 sy 1844 i Jesosy. Nantsoina hoe Millerita ny mpanaraka azy.** Na dia notezaina tao amin’ny finoana kristiana aza i Miller dia nirona tamin’ny tsy finoana ny fisian-javatra tsy misy porofo mivaingana izy tamin’ny fahatanorany. Maro ireo toe-javatra nitranga nandritra ny ady tamin’ny taona 1812 izay nahatonga azy hametra-panontaniana ny amin’ny tena fisian’Andriamanitra marina, miahy manokana ny fiainantsika. Teo noho eo ihany i Miller dia nandinika ny baiboly mba hahitany ny karazan’Andriamanitra voambara ao. Teo am-pandinihina izany dia niala tao aminy ny tsy finoana ny fisian’Andriamanitra tsy hita maso. Toy izao no nosoratan’i Miller mikasika ny Soratra Masina taty aoriana : “Tonga fifaliako izany ary lasa namako i Jesosy”. Nandritra ny fandinihina lalina io baiboly io no nahitan’i William Miller ny faminaniana momba ny 2300 andro voalaza ao amin’ny Daniela 8:14.

Nihananakaiky ihany anefa ny fotoana hahatanterahan’ny faminaniana, mbola tsy nisy na iza na iza nitory ny amin’ny fiverenan’i Jesosy, izay noheverin’i Miller ho votoatin’ilay faminaniana, koa dia resy lahatra tanteraka izy fa tsy maintsy hizara amin’ny hafa ny zavatra hitany. Nony farany dia nanomboka nitory izany am-pahibemaso izy tamin’ny 1831. Koa satria moa ny hafatra nentin’i Miller mikasika an’i Jesosy, fa tsy ny fotoana ara-paminaniana ihany, dia namaly ny antsony ny olona. Mpitondra fivavahana an-jatony maro miampy olon-kafa izay lasa mpitory ny hafatra ara-paminaniana ary olon-tsotra an’arivony no nanaiky ny fampianarana nentin’i Miller.

Nandroso fatratra ny fihetsehana notarihin’i Miller ka nihitatra hatrany amin’ny renivohitra, namakivaky ny faritra avaratry ny antsinanan’i Etazonia ka hatrany amin’ny faritra ambany atsinanan’i Canada izany. William Miller fotsiny no nanao kajy tsotsotra ary nihevitra fa nanao fampianarana 4500 momba ny faminaniana talohan’ny 1844. Rehefa tsy tonga Jesosy tamin’ny taona 1844 dia diso fanantenana tokoa i Miller saingy tsy kivy. Marina ny kajikajy nataony ny amin’ny hifaranan’ny fe-potoana ara-paminaniana 2300 andro voalaza ao amin’ny Daniela 8:14, tamin’ny taona 1843 na 1844, saingy ny toe-javatra hitranga tamin’io fotoana io no nahadiso azy. Diso ny fiheverany ilay fitoerana masina izay voalaza fa hodiovina amin’ny faran’ilay fe-potoana. Nampalahelo anefa fa tsy nanaiky mihitsy ny fahazavana vaovao izay milaza fa ny fitoerana masina any an-danitra no hodiovina i Miller ary tsy nanaiky ny amin’ny sabata andro fahafito ihany koa izy. Ireo fampianarana roa ireo anefa no andry fototry ny finoan’ny fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito. Na izany aza anefa dia nitana ny finoany ny fiverenan’i Jesosy tsy ho ela izy. Izao no zavatra nosoratan’i Miller fotoana fohy taorian’ny fahadisoam-panantenana lehibe tamin’ny 22 oktobra 1844 : “Fotoana hafa iray indray no hitazomako ny saiko ary hijoroako mandra-panomezan’Andriamanitra ahy fahazavana bebe kokoa. Ny ANIO, ANIO ary ANIO mandra-pahatongany”. Avy tamin’ny fihetsehan’i William Miller sy ny mpanaraka azy moa no tena nivoahan’ny fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito.

Filan-kevitra fanampiny Gordon, Paul A., Herald of the Midnight Cry, Pacific Press, 1990.

25

Page 26: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

Rachel Oakes – Preston (1809-1868): mambra laika tao amin’ny fiangonana batista mitandrina ny andro fahafito i Rachel. Izy no nandresy lahatra antokona millerista advantista tao Washington, New Hampshire, hanaiky ny sabata andro fahafito. Namangy ny zananivavy Delight Oakes, mpampianatra tamin’ny sekoly tany amin’io toerana io i Rachel Oakes. Indray alahady nipetraka tao am-piangonana izy (tsy misy fiangonana batista mitandrina ny andro fahafito moa amin’io toerana io, koa tany an-trano i Rachel no nivavaka nitandrina ny Sabata ary rehefa alahady izy dia niaraka tamin’ny mpirahalahy kristiana tao amin’ny fiangonana Methodista) ary pasitora Frederick Wheller no nitarika ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo. Nolazainy tamin’izany fa ireo rehetra izay manaiky an’i Kristy amin’ny fotoana tahaka itony dia “tokony ho vonona ny hankatò an’Andriamanitra sy hitandrina ny didiny rehetra”. Nolazain’i Mme Oakes azy avy teo fa raha kely foana dia nitsangana izy nandritra ny fivoriana hilaza taminy fa tokony ahemotra ny latabatra fanasana ary hosaronana indray izany mandra-pahavononany hitandrina ny didiny rehetra, ao anatin’izany ny didy fahaefatra. Taorian’izany ady hevitra izany dia nody i Frederick Wheeler mba hianatra ny baiboliny ary nekeny tamin’izany fa tena nampianatra marina ny hitandremana ny Sabata andro fahafito ny didy fahaefatra. Tetsy an-danin’izany anefa, tsy ela taorin’io fotoana io dia tonga ho advantista millerista i Rachel Oakes. Taty aoriana, tamin’ny fotoana farany niainany dia lasa advantista mitandrina ny andro fahafito izy. Filan-kevitra fanampiny Maxwell, C. Mervin, Tell It to the World, Pacific Press. 1993. Pp.67-73

Marcial Serna (1860-1935): Serna no pasitora advantista mitandrina ny andro fahafito miteny Espagnol taranaka meksikana voalohany indrindra niasa tany Etazonia. Pasitoran’ny fiangonana Episkopaly Metodista tany New Mexico nandritra ny 17 taona izy alohan’ny ahatongavany ho advantista mitandrina ny andro fahafito tamin’ny taona 1898. Rehefa nanaraka ny fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito izy dia maro tamin’ireo mambra tao amin’ny fiangonany teo aloha no nentiny nanaraka azy. Niasa tany Arizona sy California ny pasitora Serna alohan’ny nisotroany ronona tamin’ny taona 1916.

Filan-kevitra fanampiny Pohle, Myrtle A. , The Truth Seekers, Saga of the Southwest, Pacific Press, 1983, pp.7-42

Annie Rebekah Smith (1828-1855): nanana talenta tamin’ny fanoratana tononkalo sy famoronana hira i Annie Smith ary nitondra anjara biriky marobe tamin’ity fihetsehana ity tamin’ny fotoana nanombohan’izany. Vao tanora herotrerony izy dia efa lasa Millerista Advantista. Tahaka ireo maro hafa anefa, taorian’ilay fahadisoam-panantenana lehibe tamin’ny 22 oktobra 1844 dia kivy izy ary tsy niraharaha resaka fivavahana intsony. Tapa-kevitra ny hanohy fianarana izy ary tonga mpampianatra. Tsy nitsahatra ny niahy ny fiainana ara-panahin’ity zanany vavy anefa ny renin’i Annie. Tamin’ny taona 1851, rehefa nanatrika fivoriana ara-pilazantsara notarihin’i Joseph Bates i Annie dia lasa advantista mitandrina ny andro fahafito. Taty aoriana dia nanampy an’i James White tamin’ny famoahana ny gazety boky “The Advent Review and Sabbath Herald” izy. Maro tamin’ny tononkalo nosoratany no navoaka tamin’ny gazetim-piangonana ary ny sasany namoronana feon-kira. Telo tamin’ny tononkira nosoratany no voarakitra ao amin’ny fihirana advantista mitandrina ny andro fahafito amin’ny teny anglisy. Nampalahelo anefa fa voan’ny raboka (tuberculose) i Annie ary nahafaty azy izany.

Filan-kevitra fanampiny Graybill, Ron, “The Life & Love of Annie Smith”, Adventist Heritage, Summer 1975,

26

Page 27: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

vol.2, nº1, pp.14-23

Uriah Smith (1832-1903): Tahaka an’i Annie Smith anabaviny dia anisan’ny millerista advantista i Uriah Smith raha vao tanora herotrerony tokoa. Taorian’ny fahadisoam-panantenana lehibe tamin’ny 22 oktobra 1844 anefa dia kivy ihany koa izy ary tsy niraharaha fivavahana intsony. Nanohy ny fianarany tany an-tsekoly izy, toy ny nataon’ny anabaviny ary lasa mpampianatra, saingy mbola tsy taitra tamin’ny resaka fivavahana ihany tamin’izany. Tamin’ny taona 1852 dia resy lahatra tamin’ny Sabata izy ary tsy ela dia nanampy an’i James White tamin’ny famoahana ny gazety boky “The Advent Review and Sabbath Herald”. Rehefa nafindra avy tao Rochester, New York, ho any Battle Creek, Michigan ny foiben’ny fanontana boky aman-gazetintsika tamin’ny taona 1955 dia i Uriah Smith no tonian’izany. Teo amin’ny 55 taona teo ho eo no niasany tao amin’izany “Review” izany ary 35 tamin’izany no naha-tonian’ny fanoratana (éditeur) azy. Ankoatry ny asany teo amin’ny famoahana gazety dia mpanoratra ihany koa i Smith. Nanoratra lahatsoratra maro ho an’ny gazety “Review” izy ary koa boky maro, anisan’ny nalaza indrindra tamin’izany ny boky “The Prophecies of Daniel and the Revelation” (Ny faminaniana ao amin’ny Daniela sy Apokalypsy) izay tsy tontan’ny ela eo amin’ny Advantista. Artista sy poeta ihany koa i Uriah Smith. Izy no namorona ny sary printy voalohany ho an’ny gazety “Review” efa talohan’ny nitandremany ny Sabata aza. Mpamoron-javatra ihany koa i Uriah Smith ary nahazo taratasy manamarina ny maha tompon-kevi-baovao azy izy tamin’ny asa maha-mpamorona azy. Rehefa voalamina ny Foibe Eran-tany an’ny fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito tamin’ny taona 1863 dia voafidy ho sekreterany voalahany i Uriah Smith. Maro isan-karazany ny anjara biriky nentin’izany lehilahy izany ho an’ny fihetsehana.

Filan-kevitra fanampiny Durand, Eugène F., Yours In the Blessed Hope, Uriah Smith, Review, 1959.

Luther Warren (1864-1940): 14 taona i Luther Warren raha niara-nanangana tamin’i Harry Fenner namany, ny fikambanan’ny tanora advantista mitandrina ny andro fahafito voalohany indrindra.Tany Hazelton, Michigan no nisian’izany. Taty aoriana dia lasa mpitandrina izy ary saika ho an’ny tanora avokoa no nandaniany ny fotoana niasany.

Filan-kevitra fanampiny Boucher, Sharon, Luther Warren : Man of Prayer and Power, Review, 1959.

Frederick Wheeler (1811-1910): Voalaza fa izy no mpitandrina Millerite Advantista voahosotra voalohany indrindra nanaiky ny fahamarinan’ny Sabata andro fahafito. Talohan’io anefa izy dia pasitora tao amin’ny fiangonana Episkopaly metodista. Tamin’ny taona 1844, tamin’ny toriteniny nandritra ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo tany Washington, tao amin’ny fiangonana tany New Hampshire dia namporisika ny mpandray izy mba hankatò an-tsitrapo ny didin’Andriamanitra. Avy teo dia nolazain’i Rachel Oakes (lasa hoe Preston taty aoriana) taminy fa izy tenany aza tsy mitandrina ny didy fahaefatra. Rehefa nandinika tsara izay voambaran’ny baiboly ny amin’izany izy dia tapa-kevitra fa hitandrina ny Sabata andro fahafito. Taty aoriana dia nianatra ny mikasika ny fahamarinana momba ny Sabata izy sy i Joseph Bates izay mandao ny tokantranony tany Massachussetts mba hianatra bebe kokoa momba izany lohahevitra izany. Tamin’ny taona 1851, dia nangatahin’i James White i Wheeler mba handao an’i New Hampshire mba hiasa any amin’ny toeran-kafa. Farany, tamin’ny taona 1857 dia nifindra tany New York State i Wheeler ary tany izy no nonina mandra-pahafatiny.

27

Page 28: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

Filan-kevitra fanampiny Tsy misy aloha hatramin’izao

James White (1821-1881): I James White sy Ellen vadiny ary i Joseph Bates no voalaza fa tokotelo mpanangana ny fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito. Raha vao taonra herotrerony i James dia anisan’ny mpitoriteny Milerita advantista. Tamin’ny fitetezam-paritra nataony nandritra ny telo volana, nitoriany dia nahatarika olona an’arivony ho an’ny Tompo izy. Na dia anisan’ireo diso fanantenana noho ny tsy nahatongavan’i Jesosy tamin’ny taona 1844 aza i James dia tsy mba nanary ny finoany ny fiverenan’i Jesosy fanindroany izy. Nanambady an’i Ellen Harmon izy tamin’ny taona 1846. Fotoana fohy taorian’izany dia nanomboka nitandrina ny Sabata izy roa. Tamin’ny taona 1849 dia namoaka ny boky gazety vaovaon’ny fiangonana, mitondra ny lohateny hoe Fahamarinana Ankehitriny na “Present Truth” izy. Taty aoriana tamin’ny taona 1852 dia nanao fanentanana mba hividianana ny fitaovana fanontana boky aman-gazetintsika voalohany izy dia ny fanontana mandeha amin’ny tanana tany Washington. Nandritra ny fotoana nanombohan’ny fihetsehana dia nitety ny fiangonana mitandrina ny Sabata vitsivitsy efa nisy tamin’izany fotoana izany i James White, nitarika fivoriana fitoriana ny filazantsara, ary nanoratra bokikely sy lahatsoratra an-gazety ho an’ny fiangonana izy ary izy ihany no nanonta izany avy teo.

Tamin’ny taona 1860 dia nandray anjara tamin’ny fifidianana ny anaran’ny fiangonana i loholona White. Na dia ny “Fiangonan’Andriamanitra” aza no anarana tiany, rehefa lany hoe “Advantista mitandrina ny andro fahafito / AMAF” dia nanohana izany hevitra izany izy. Tamin’ny taona 1863 dia nanampy tamin’ny fananganana ny Foibe Eran-tany ny advantista mitandrina ny andro fahafito izy. Raha ny marina dia izy no voafidy voalohany ho filohan’ity fiangonana vaovao ity saingy tsy nekeny izany asa izany mba tsy hisian’ny fanendrikendrehana azy ho miezaka ny handrombaka ny fahefana tamin’ny nananganany ny Foibe Eran-tany. Nanampy tamin’ny fanorenana ny sekoly ambaratonga ambony tao Battle Creek izy ny taona 1874 ary namorona ny gazety boky “Signs of the Times” (Signes des Temps), izay navoaka voalohany tany Oakland, California. *** Nanomboka tamin’ny 1865 dia voan’ny aretina tosi-dra matetitetika izay nisy fiantraikany teo amin’ny fahasalamany izy. Na teo aza anefa izany dia nanao ny asan’ny filohan’ny Foibe Eran-tany izy nandritra ny folo taona (1865-1867 ; 1869-1871 ; 1874-1880). Matetika izy sy ny vadiny tao anatin’izany fotoana izany no nanatrika fivoriana an-dasy efa ho 15 isan-taona. Maty i James White tamin’ny taona 1881 raha vao 60 taona noho ny hasasarany mafy loatra vokatry ny niasany be loatra ho an’Andriamanitra.

Filan-kevitra fanampiny Robinson, Virgil, “James White”, Review, 1976

Maro ireo toe-javatra, olona, toerana ary daty izay azo ampifandraisina amin’ny tantaran’i Ellen White. Kanefa tsy maintsy mifidy iray ny mpampianatra ary manantena fa ny zavatra nofinidiny dia manan-danja amin’ny mpianatra mba hamporisika azy hanao fikarohana bebe kokoa.

Conflict of the Ages series (Hery Mifanandrina)Boky dimy izay manoritsoritra ny tantaran’ny ady lehibe hifanandrinan’i Kristy sy Satana efa talohan’ny famoronana ny tany, tamin’ny fahalavoan’i Satana ka hatramin’ny fotoana hamoronana tany vaovao aorian’ny arivo taona sy ny faharavan’ny fahotana. Tafiditra ao anatin’izany andiam-boky izany ny Patriarka sy Mpaminany (1890), Mpaminany sy

28

Page 29: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

Mpanjaka (1917), Ilay Fitiavana Mandresy (1898), Vavolombelona Mahery (1911) ary ny Hery Mifanandrina (1888, 1911).

Ny Lovan’i Ellen White: rehefa nanoratra ny didim-pananany i Ellen White tamin’ny taona 1912 dia nomeny ho an’ny mpitarika fiangonana dimy ny asa sorany rehetra, izay antsoina hoe Ny Lovan’i Ellen White. Rehefa maty izy tamin’ny taona 1915 dia natsangana izany fikambanan’olona ara-dalàna izany (corporation). Ny tena soratanany kosa dia nijanona tany California tamin’ny 1938, alohan’ny namindrana azy tany Washington DC foibe, toeran’ny Foibe Eran-tany tamin’izany fotoana izany. Ankehitriny dia fikambanana miisa dimy ambin’ny folo mikarakara manokana ny Lovan’i Ellen White, maneho ny asan’ny fiangonana maneran-tany no manohy ny fanaraha-maso ny fitehirizana ny soratanany (manuscrit original), ny fampiroboroboana ny fampielezana ny fandikana ny bokin’i Ellen White ary manome alalana hamoahana am-boky ireo soratanany mbola tsy voaely araky ny voasoratra tao amin’ny didim-pananany.

Elmshaven: io no anaran’ny tranon’i Ellen White ao avaratr’i California izay nonenany nanomboka tamin’ny taona 1900 fony izy niverina avy tany Australie, mandra-pahafatiny tamin’ny taona 1915. Nandritra ny fotoana nitoerany tao Elmshaven dia nametraka fiovana maro teo amin’ny fandaminana ny fiangonana izy ka nahatonga ny nananganana ny fivondronamben’ny saha (union des conférences) sy ny diviziona maneran-tany. Nanampy tamin’ny fanorenana ny toeram-pitsaboana “Paradise Valley”, sy Glendale ary Loma Linda tao atsimon’i California, sy ny sekoly ambaratonga ambony “Madison College” tany Tennesse izy. Ankoatr’izay dia nanoratra boky tsy tontan’ny ela fanta-daza toy ny Education, Tanamasoandron’ny Fahasalamana, Vavolombelona Mahery, ary ny Mpaminany sy Mpanjaka izy, ankoatry ny fanoratana indray ny boky “Hery Mifanandrina” izay nivoaka tamin’ny taona 1911.

Gorham, Maine: tao no toerana nahaterahan’ny kambana mirahavavy dia i Ellen sy Elizabeth Harmon, zanak’i Robert sy Eunice Harmon tamin’ny 26 novambra 1827. Nanambady an’i James White i Ellen ary maty izy tamin’ny 1915. Ny rahavaviny kambana taminy kosa nanambady an’i Reuben Bangs, mpivarotra tany Gorham ary tao izy no nipetraka mandra-pahafatiny tamin’ny 1891.

5 Jona 1863: tamin’ny harivan’io zoma io, tao amin’ny tranon’i Aaron Hilliard tao Otsego, Michigan, no nanomezan’Andriamanitra an’i Ellen White fahitana momba ny fanavaozana ara-pahasalamana. Manambara ny lafiny ara-pahasalamana rehetra sy ny fomba fisorohana ny aretina izany. Voalaza ao anatin’izany ny mahatonga ny aretina, ny fikarakarana ny marary, ny fitsaboana, ny lalàna ara-tsakafo, ny sakafo manaitaitra sy maha-domelina, ny fikarakarana ny ankizy ary ny fitafiana ara-pahasalamana.

Na dia efa nilaza ny amin’ny voka-dratsin’ny paraky sy ny dite ary ny kafe ary ramatoa White talohan’ny 1848 dia tamin’io fahitana io vao nohamafisina fa anisan’ny hafatra entin’ny advantista mitandrina ny andro fahafito ny fitsipika ara-pahasalamana. Toy izao no nosoratan’i Ellen White: “Hitako fa tena andraikitra masina ny fiahiana ny fahasalamantsika, sy fitaomana ny hafa handray ny andraikiny. Araky ny filazalazana naseho azy tamin’ny fahitana no nanambaran’i Ellen White ny maha-ratsy ny zava-mahadomelina sy ny nofom-biby sy namporisihany ny filàna rivotra madio, fanatanjahan-tena ary sakafo madio sy ara-dalàna.

29

Page 30: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

Ny Mpitondra Hafatry ny Tompo na “Lord’s Messenger” no anarana nisaloran’i Ellen White teo amin’ny fanandramany manokana, fa tsy nifidy ny hiantso ny tenany ho mpaminanivavy izy. Tamin’ny taona 1960 dia nohazavainy ny antony nampiasainy io anarana io ho fanoritsoritana ny asa niantson’Andriamanitra azy:

“Tamin’ny fahatanorako dia imbetsaka aho no nametrahan’ny olona fanontaniana hoe : ‘moa mpaminany va ianao ?’ Izao foanao no navaliko ireny : ‘Mpitondra Hafatry ny Tompo aho’. Fantatro fa maro no miantso ahy hoe mpaminany, saingy tsy mitaky ny hisalotra io anarana io aho. Nambaran’ny Mpamonjy fa mpitondra ny hafany aho… Fa maninona moa aho no tsy milaza ny tenako ho mpaminany ? – Satria amin’izao vanin’andro izao dia maro ireo izay milaza am-pahasahiana ny tenany ho mpaminany no mahatonga tsiny amam-pondro eo amin’ny asan’i Kristy ; ary satria ny asako dia mihoatra lavitra ny asan’ny olona antsoina hoe “mpaminany”. 1 SM 32.

Tranon’i White tao Battle Creek, Michigan: ny tsangambato advantista antitra indrindra tafajoro any Battle Creek dia ny tranon’i James sy Ellen White ao amin’ny 63-65 Wood Street. Voaorina tamin’ny 1856 izany ary tao ny ranadahy sy rahavavy White no nonina nanomboka tamin’ny taona 1856 ka hatramin’ny taona 1863. Tamin’ny fotoana nonenany tao amin’izany trano izany no nanoratan’i Ellen White ny “Hery Mifanandrina” izay fahitana nomena azy tany Lovett’s Grove, Ohio tamin’ny 14 Martsa, 1858. Nivoaka tamin’ny boky mitondra ny lohateny hoe “Spiritual Gifts”, boky voalohany tamin’ny Septambra 1858 ny fitantarana an-tsoratra voalohany izany fahitana izany. Io no voalaza matetika ho lohateny tranainy ny boky “Hery Mifanandrina”. Tao amin’io trano io, tamin’ny taona 1860, no nahaterahan’i John Hebert, zanakalahin’i James sy Ellen fahaefatra. Tsy ampy telo volana akory dia maty ilay zaza. Nandritra ireny fotoana ireny koa no nametrahana ny fandaminana ny asa fiantrana na “Systematic Benevolence” tamin’ny taona 1859, sy nifidianana ny anarana hoe “AMAF” (Advantista mitandrina ny andro fahafito) tamin’ny taona 1860, ary tamin’ny taona 1861 no nandaminana ny federasiona voalohany dia ny Federasionan’ny Michigan.

Testimonies to the Church: nosoratana anaty boky 9 mirakitra toro-hevitra nampitondrain’Andriamanitra an’i Ellen White ho an’ny fiangonana ny boky “Testimonies to the Church” (Témoignage pour l’église). Tany am-piandohana dia boky misaratsaraka mirakitra hafatra fito amby telopolo, izay navoaka teo anelanelan’ny toana 1855 sy 1909 izany. Torohevitra ho an’ny olon-tokana, vondron’olona ary fiangonana sy fikambanana no voarakitra ao amin’izany andiam-boky izany. Ny hafatra sasany dia voalaza mazava tsara ny iantefany, ny sasany kosa dia hafatra amin’ny ankapobeny mikasika ny fitsipi-piainana kristiana sy ny asa nanirahana ny fiangonana.

Fahitana: ny fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito dia mino fa nandray fahitana avy amin’Andriamanitra toy ny noraisin’ny mpaminany tao amin’ny baiboly i Ellen White. Amin’izany fotoana izany dia tapaka tanteraka ny fifandraisany amin’ny manodidina azy rehefa omen’Andriamanitra hafatra mirakitra karazana lohahevitra maro izy. Nampitainy tamin’ny fiangonana izany nandritra ny fiainany tamin’ny alalan’ny famelabelarana am-bava teo anatrehan’ny fivoriana ahitana olona maro na teo anivon’ny vondron’olona sy komitin’ny fiangonana ; tamin’ny alalan’ny taratasy nosoratana ho an’olona iray manokana mirakitra hafatra manokana nampitondraina azy ho an’io olona io, na tamin’ny alalan’ny bokiny marobe.

30

Page 31: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

Tamin’ny fanombohan’ny fanandramany dia matetika ramatoa White no mahazo fahitana amin’ny fotoana fifohazany ary maharitra minitra vitsy ka hatramin’ny ora efatra izany. Amin’ny ankapobeny ireny fahitana vao maraina ireny dia misy toe-javatra ara-batana mahazo azy izay hitan’ireo olona manatrika eo amin’ny fotoana andraisany fahitana ; misokatra ny masony, tsy miaina izy ary miala aminy ny herim-batany ka tsy mahatsiaro izay miseho manodidina azy izy mandritra ny fotoana rehetra anehoana azy ny fahitana. Ny mpamaky lain’ny fiangonantsika dia tsy mandray velively ireny toe-javatra ara-batana ireny ho porofon’ny maha-avy any an-danitra ny fahitany, fa noheveriny ho ambanimbany amin’ny fanehoana ny fitantanan’Andriamanitra teo amin’ny fanandraman’i Ellen White izany. Ny tena porofo ny maha marina izany fahitana izany dia ny votoatin’ny hafatra sy ny fiovana vokatr’izany eo amin’ny fiainana rehefa arahana izany torohevitra izany. Taty aoriana dia nofy ara-paminaniana mandritra ny alina no fahitana azon’i Ellen White, tamin’izany anefa dia nolazainy fa ilay anjely mpitondra hafatra nandritra ny fahitana tamin’ny alina ihany no anjely nitondra ny fahitana azony tamin’ny voalohany.

Tsy mampitovy tantana ny fahitan’i Ellen White amin’ny baiboly ny fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito, na dia mampianatra aza isika fa samy avy amin’Andriamanitra ireo roa ireo. Izy tenany dia mametraka fa ny fahitany dia jiro kely avy amin'’ndriamanitra mitarika ho amin’ilay jiro lehibe dia ny baiboly. (Jereo CM 125)

Ireo boky filan-kevitra voalaza etsy ambony ireo, ny boky “Youth Ministry Accent” navoakan’ny departemantan’ny tanora ao amin’ny Foibe Eran-tany, ary ireo boky maro natao lisitra manaraka ny fepetra faha-9 ireo dia azo ampiasaina hamoronana tantara an-tsehatra na/sy an-tsoratra izay takiana ao anatin’io fepetra io. Mazava ho azy fa tsy tianao ny hanadino ny hitady izay azo atao momba ny fiangonanao na ny saha misy anao amin’ny fifampiresadresahana amin’ny olona efa tranainy tao, izay fomba mety iray hahazoana tantara tsara mikasika ny fanombohana sy ireo mpamaky lay teo amin’ny toerana misy anao.

Mamaky boky iray mikasika ny lovan’ny fiangonana:

Ireto misy sasantsasany amin’ireo boky misy any amin’ny fivarotam-boky advantista (na mety ananan’ny pasitoranao)“Movement of Destiny” nosoratan’i L.E. Froom“The Past and the Presidents” nosoratan’i D.A. sy G.L. Ocks“Messenger of the Lord” nosoaratan’i H.E. Douglas“Prophetic Faith of our Fathers” nosoratan’i L.E.Froom“1844 and the Rise of Sabbatarian Adventism” nosoratan’i G.R.Knight“Tell It to the World” nosoratan’i C.M. Maxwell“Light Bearers to the Remnant” nosoratan’i Schwarz“Anticipating the Advent” nosoratan’i G.Knight“Millennial Fever” nosoratan’i G. Knight

(Mety tsy misy ambiny intsony ny dika voatonta amin’ny sasany amin’ireo nefa misy boky hafa azo asolo azy)

Fanamarihana momba ny boky na filan-kevitra hafa azo ampiasaina.

FITOMBOANA EO AMIN’NY FAHAIZA-MANAO

31

Page 32: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

Manatrika seminera na mahafeno fianarana mandritry ny adiny roa mikasika ireto taranja ireo

NY FAHAIZANA MITARIKA – ORA 2

Tanjona: Ny hahafantarana ny fahalalana fototra momba ny fitarihana, ilaina amin’ny fitarihana antoko na patrouille iray.

Fanazavana: Takiana avy amin’ny mpandray anjara ny hanombohany hananany fahaiza-mitarika fototra ilainy eo amin’ny fitarihany sy fitantanany tarika na antoko iray, eo amin’ny fanatanterahany am-pahombiazana ny fepetra rehetra takiana eo amin’ny programa na taranja ianarany. Azo hamafisina amin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra mikasika ireto lohahevitra manaraka ireto io taranja io :

Fanehoana ny lafiny tsara ny toe-tsaina sy tombambidin’ny kristiana ---> 15 mn Fomba fototra fanetsiketsehana tarika kely iray ----> 15 mn Anjara asa, adidy, andraikitra ary ny toerana misy ny mpitarika gropy Famantarana sy fitondrana ireo karazan’olona mpanimba ny firaisana ao anatin’ny

tarika (groupe) ---> 20 mn Famporisihana ny tsirairay ------> 50 mn

Ireto no karazana lesona azo omena :

© Fanehoana ny lafiny tsara ny toe-tsaina sy tombambidin’ny kristiana:

Safidy maro no miseho eo anatrehan’ny tanora amin’izao fotoana iainantsika izao. Takiana amin’izy ireo ny fahatakarana tsara ny lafim-piainana rehetra, izay toa sady tsy azo antoka no mifamahofaho be, amin’ny alalan’ny fianarana mandanjalanja, mankasitraka ary mandray ny tena tombambidiny. Ny tiana hambara amin’ny “tombambidiny” eto dia ny fanehoana ireo zavatra inoana, kinendry ary ny toe-tsaina fidiana am-pieritreretana lalina sy iainana. Satria isika monina ao anatina fiaraha-monina mavitrika izay miova haingana tokoa, dia fahendrena kokoa ho antsika ny mampifantoka ny fitaizana ara-pivavahana amin’ny fomba fandanjalanjana noho ny fifantohana fotsiny amin’ireo lazaina ho manan-danja.

Fomba fianarana mandanjalanja:

Ireto misy fomba izay heverina matetika fa hanampy ny tanora hampitombo ny tombambidiny:Fanomezana ohatra – Aseho an’ohatra amin’ny fomba mivantana amin’ny

fitondrantenan’ny olon-dehibe, na tsy mivantana amin’ny fanambarana (fanehoana) ohatra tsara avy tamin’ny lasa na ny ankehitriny, toa ny fahamarinana amin’ny teny sy asan’i Washington na ny faharetan’ny vadin’ilay Grika Ulysses.

Fandresen-dahatra – Maneho fahaizana mandanjalanja sy mandaha-kevitra ho fanohanana fomba fisainana izato na izaroa, ary fanehoana ny fahadisoan-kevitra sy ny fandrika ao amin’ny fomba fisainana hafa

Fahaizana mamaritra – Mamela ny ankizy hisafidy amin’ireo zavatra ekentsika fa tokony hatao toy ny manontany ny ankizy ny tiany hatao na manasa lovia na manadio trano ; na koa manome safidy azy ireo ny amin’ny toetra ekentsika na toetra tsy misy olona mety hanaiky azy hoe hiteny ny marina sa tsy hifampiresaka amin’iza na iza intsony.

Fanetsiketsehana – Fiangaviana amin’ny alalan’ny fanehoana an-tsehatra na tantara mampihetsi-po ny toetra iray sy ny fitondran-tena mifandray amin’izany

32

Page 33: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

Mametraka fitsipika sy mandray fepetra – kendrena hahasahana sy hanamboarana fitondrantena mandra-panekena an-tsitrapo ny fahamarinan’izany, amin’ny alalan’ny fanomezana fankasitrahana na sazy hanamafisana fitondran-tena, toe-piainana sasantsasany.

Toro-hevitra: Aseho ho fahendrena na fitsipi-piainana tsy azo iadian-kevitra ny fombam-pivavahana na kolontsaina, amin’ny filazana fa tokony inoana izany satria “izany foana no fanaon’ny olona talohantsika hatramin’izay”.

Fananarana – Manoro ny lalana tokony haleha dia fomba mahafinaritra sy tsotra. Tsotra sy mora ny manazava toe-javatra sy fanandramana efa nolalovanao. Manao antso amin’ny feon’ny fieritreretana amin’ny feo tony sy mora izay mampifoha ny fahatsiarovan-tena ho meloka, fa tsy manoro hevitra amin’ny filazana amin’ankizy ny “marina” toy ny hoe tsy ampy fahalalana loatra izy na mahamenatra ny ray aman-dreniny.

Maro ny fomba azo tanisaina eto, izay ampiasaina tamin’ny lasa, amin’ny fanampiana amin’ny fanabeazana ara-pinoana sy ara-toe-tsaina ary ara-pitondrantena. Ny mpitarika dia tokony hanao izay hahazoany ny fomba manaraka izay entina hampianarana ny tanora hamolavolany ny toetrany, isorohana ny fanarahana an-jambany foto-pampianarana sy toe-piainana efa voavolavola mialoha izay anerena azy ireo :

Ireto avy izany dingana izany:- Amporisihina hanao safidy malalaka ny ankizy- Manampy azy ireo hikaroka sy handinika zavatra hafa azo isafidianana eo am-panaovana

ny safidiny- Manampy ny ankizy handanjalanja am-pieritreretana ny zavatra hafa azo isafidianana,

amin’ny fisaintsainana izay mety ho vokan’ny safidy tsirairay- Mamporisika ny ankizy hihevitra tsara izay zavatra ankasitrahany sy lalainy- Manome azy ireo fotoana hahafahan’izy ireo maneho am-pahibemaso ny safidiny- Manampy azy ireo handinika ny fahazarana sy ny fihetsika miverimberina eo amin’ny

fiainany

Adi-hevitra (amin’ny gropy)

Hadihadio ny fomba fampitana toetra iray avy amin’ny olon-dehibe ho an’ny ankizy ary inona no fomba mahomby indrindra, araka ny hevitrao.

Manaova lisitra na toetra folo manan-danja indrindra eo amin’ny tanora ao amin’ny taona maro samihafa ary diniho ny hampiasanao ny fomba voalaza etsy ambony mba ho fototra hanampiana azy ireo hitombo amin’ny toe-tsaina sy fitondran-tena tena kristiana. Azonao dinihina amin’izany ireto toetra ireto : fanoloran-tena (dévotion), fahamarinana amin’ny teny sy asa, fanajana sy fahatokiana, fahaizana taozavatra, fitiavana, fandraisana andraikitra, fahatokiana amin’ny andraikitra nekena (commitment), risi-po, fahafehezan-tena, azo itokisana.

© Fomba fototra fanetsiketsehana gropy kely – 15 mn

Tato ho ato izay dia nifantoka tamin’ny resaka fitondrana tarika (gropy) ny manam-pahaizana mandinika manokana momba ny ara-tsosialy. Hita tamin’ny fanadihadiana nataon’izy ireo fa samy manana ny maha-izy azy sy toetrany manokana ny gropy tsirairay. Anisan’izany ny:

- Fomba fifandraisan’ny mambra ao anatin’ny gropy- Ny fomba entin’ny gropy mandray fanapahan-kevitra- Ny olana eo amin’ny fifandraisan’ny gropy amin’ny gropy hafa

33

Page 34: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

Na dia mety tsy ho hita eo amin’ny gropy rehetra aza ireo olana ireo dia mety indrindra amin’ny mpitarika raha miomana hisedra izany izy.

Ny fanadihadiana rehetra natao tamin’ny fitondrana tarika dia maneho ny fitsipi-piainana mahaliana mikasika fihetsiky ny gropy. Tena iankinan-java-dehibe tokoa ny fahafantaran’ny mpitarika tsirairay izany zavatra izany. Ireto voalaza manaraka eto dia sasantsasany amin’ny toe-javatra manaitra indrindra:

- Ho fahombiazan’ny tarika iray, dia tsy maintsy afaka mifanakalo hevitra malalaka sy mazava tsara ny mambra tsirairay ao aminy. Tsy maintsy mahatsapa tena ho tompon’andraikitra amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra ny mambra rehetra.

- Tsy voatery ho mahomby mihitsy ny gropy na dia atao aza hoe olona mahavita azy avokoa ny mambra rehetra ao aminy

- Azo atao ny manampy ny gropy iray hitombo eo amin’ny fahamatorana. Amin’ny fampiasana ireo teknika mifanentana amin’izany dia azo atao ny mitari-dalana ny gropy iray ho amin’ny fahombiazana, ary azo atao ihany koa ny hamotika ny tsy fifankazahoana misy ao anatin’ny gropy, izay manakana ny fahombiazana

- Mety hanana mpitarika manam-pahaizana sy manan-talenta ny gropy iray. Kanefa, ny mpitarika tena mahomby dia tsy maintsy mahatakatra fa ny mambra tsirairay dia tompon’andraikitra amin’ny fandraisana anjara amin’ny asa fitarihana manontolo. Tsy afaka ny hamokatra amin’ny fahafenoany ny gropy raha tsy ny mambra tsirairay ao aminy mihitsy no mahatsiaro tena ho tompon’andraikitra amin’ny fomba fiasan’ny gropy misy azy.

- Manana andraikitra manokana voafaritra tsara ny ankamaroan’ny gropy, ary ny hanatanteraka izany no antom-pisiany. Matetika dia sondriana amin’ny fanatanterahana izany anjara asany izany ny mambran’ny gropy ka hadinon’izy ireo ny mampandeha amin’ny tokony ho izy ny fiainan’ny gropiny.

Eo amin’ny fiaraha-miasan’ny olona ao anatin’ny gropy iray, amin’ny fanatanterahana ny andraikiny dia manao zavatra ho an’ny mambra hafa iray gropy aminy ary miara-miasa amin’izy ireo izy. Misy fifandraisana mifampidipiditra izy saro-takarina eo amin’ny olona tsirairay ao amin’ny gropy, ary tokony hitohy sy hitombo eo amin’ny gropy tsirairay ny fahatsiarovan-tena fa gropy izy ary hanao ezaka hampivelarana sy hitazomana fifandraisana tsara. Anjaran’ny mpitarika ny manampy ny gropy mba hahatakarany ireo adidy roa tsy azo sarahina ireo ka hahatonga fahombiazana eo amin’ny asan’izy ireo. Afaka mijoro amin’ny toerana samihafa ao anatin’ny gropy ny mpitarika. Azo atao ny misahana tanteraka ny dingana rehetra eo amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra, na koa avelany tanteraka ny mambran’ny gropy no hanao izany. Ny tena zava-dehibe dia ny hoe samy mandray anjara amin’ny fifehezana anatin’ny gropy avokoa ny mambra sy ny mpitarika ao aminy. Na izany aza anefa dia tsy maintsy tanterahina ireo anjara asa ireo, satria ny fanatanterahana izany dia tsy hoe fanomezana fahafaham-po ny mambra tsirairay ao aminy sy hampandeha ny gropy fotsiny ihany fa hampandroso azy ho amin’ny tanjona tokony hotratrariny ihany koa.

© Andraikitra, Anjara asa, adidy ary ny toerana misy ny mpitarika gropy

Misy fomba manokana ho entina mitarika izay manampy ny gropy hahatratra sy hanatanteraka ny anjara asany sy ny fampaharetan’ny fisian’ny gropy. Araka ny efa voalaza teny am-piandohana dia iray amin’ny tanjon’ny gropy ny hahatratra ny tanjony na hanatanteraka ny asany. Tanjony iray hafa koa ny mampandeha tsara sy ara-dalana ny gropiny na mikojakoja ny gropy mba haharetany sy hahafahany hiasa tsara. Misy olona ao

34

Page 35: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

amin’ny gropy tsirairay izay mampiasa ny fomba fitarihana samy hafa mba hanampy ny gropy hahatratra sy hanatanteraka ny anjara asany ary ny fikojakojana ny gropy.

Ireto avy ny adidin’ny tsirairay amin’izany: Mpanetsiketsika voalohany – ilay manomboka ny raharaha Mpikaro-kevitra – ilay mametraka fanontaniana Mpanolo-kevitra – ilay mamaly ny fanontaniana Mpandrindra – ilay mampandeha ny raharaha Mpandamina – ilay manoro ny gropy ny tanjona kendrena. Manao izay hizoran’ny

gropy ho any amin’ny tena zavatra kendreny Mpamintina – ilay mampifandray ny hevitra rehetra. Mamerina indray ny tena

hevitra mivaingana teo amin’ny adihevitra izy Mpijery ny marimaritra iraisana – ilay manao izay hahitana na efa manakaiky ny

fandaminan-draharaha farany ny gropy na tsia, na mijery ihany koa ny habetsahan’ny fehin-kevitra efa noraisin’ny gropy

Ireto avy ny andraikitry ny mpitarika eo amin’ny fikojakojana ny gropy sy ny fanaovana izay hisian’ny fiaraha-miasa eo amin’ny mambra tsirairay:

Mpamporisika: - Mampahery sy manohana ny hafa ao amin’ny gropy mba hisian’ny fiaraha-miasa hatrany hatrany

Mpampifanaraka: - Manao izay hitazomana ny fiaraha-miasan’ny mambra ho amin’ny tanjona iray mitovy

Mpiandry varavarana: - Mampahalala ny gropy ny lohahevitra eo am-pelatanana. Miezaka izy ireo ny hanokatra ny varavaran’ny fifandraisana ary manao izay hitenenan’izay tsy mandray anjara ary mampangina ireo izay miteny loatra.

Mpametraka tanjona: - milaza izay tanjona tiany hotratrarin’ny gropy. Mametra ny asan’ny gropy sy ny fihetsiky ny mambran’ny gropy tsirairay. Manampy amin’ny famahana amim-pahombiazana ny olana.

Ny fahazoana tsara ireo adidin’ny mpitarika ireo dia tsy manampy ny mpitarika voatendry ihany fa ny mambra ao amin’ny gropy ihany koa. Zava-dehibe avokoa ireo adidin’ny mpitarika ireo, ary manana toerana ao anatin’ny gropy ka tsy maintsy tanterahana raha tiana ny hanatsara ny fahasalaman’ny gropy. Ho tonga any amin’ny faratampony kokoa ny fahombiazana raha samy tompon’andraikitra amin’ireo anjara asa ireo avokoa ny mambra rehetra fa tsy ny mpitarika voatendry ihany. Indraindray dia manana anjara maro ny olona iray mandritra ny fiainan’ny gropy. Amin’ny gropy iray efa matotra matetika dia tsy mampaninona izay manao ireo andraikitra ireo, raha toa ka tanteraka araka ny tokony ho izy ny andraikitra rehetra.

Fotoana hifanakalozan-kevitra

Hadihadio ny hifandraisan’ireo fitsipi-piainan’ny gropy ireo amin’ny anjara asanao amim’ny maha-mpitarika ny mpisavalalana, na mpisantatra na filohan’ny tanora anao.

Mandraisa anjara amin’ny fampiharan’ny gropy ilay “Tetik’Asa Fo Mitempo” (Opération Heartbeat) ary ampiasao ilay “endrika fanadihadihana” hanombanana ny fiasan’ny gropy amin’ny asa ampanaovina azy. Tombano ny vokatry ny lafin-javatra voalaza ao amin’ny endrika fanadihadihana io eo amin’ny fahombiazan’ny fiaraha-miasan’ny gropy.

“Tetik’Asa Fo Mitempo”

Toe-javatra

35

Page 36: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

Mambra ao amin’ny tarika mpitsabo iray manam-pahaizana momba ny fo ianao. Hanao fandidiana famindrana fo avy amin’ny olona iray ho amin’ny olona iray hafa ianareo. Amin’izao fotoana iresahantsika izao dia olona enina no ao anatin’ny lisitra eo am-pelatanana afaka omena fo iray avy tamin’ny olona iray izay voan’ny lozam-pifamoivoizana.

Lisitry ny olona miandry handray ilay fo

- Tovolahy 22 taona, tsy manam-bady, tompon-daka nasionaly amin’ny taranja baolina kitra ary azo lazaina ho hery lehibe amin’ny fandrombahana medaly amin’ny lalao olympika.

- Vehivavy 55 taona, mpiasa ambony ao amin’ny governemanta sy tompon’andraikitra voalohany momba ny fahasalaman’ny firenena sy ny momba ny vehivavy, mananotena, manan-janaka vavy mianatra eny amin’ny oniversite mbola ao an-tokantranon-dreniny

- Lehilahy 48 taona, mpitantan’asa ambony indrindra ao amin’ny orinasa lehibe misokatra amin’ny sehatra maneran-tany ; manambady, manan-janaka roa lahy.

- Vehivavy 33 taona, renim-pianakaviana, manan-janaka telo, voan’ny diabeta- Tovovavy 17 taona, mianatra eny amin’ny lycée, miara-monina amin’ny ray mpisotro

toaka- Lehilahy 30 taona, manana fifandraisana ara-nofo sy ara-pihetseham-po amin’ny lehilahy

mitovy aminy (homosexuel), mpampianatra eny amin’ny oniversite, filoha nasionaly amin’ny tetik’asan’ny governemanta momba ny fikarohana mikasika ny aretina SIDA

Ireo olona rehetra ireo dia tena mila io fo io avokoa, ary noho ny antony maro isan-karazany, ny tsirairay avy amin’izy ireo dia mety ho faty afaka telo herinandro raha toa ka tsy hamindrana fo.

Noho ny toetr’ilay fo vao azo eo am-pelatanana, dia folo minitra no anananao handraisana fanapahan-kevitra ny amin’ny olona omena ilay fo sy hampandre azy ireo fa tsy maintsy handalo fandidiana avy hatrany izy.

Fanamarihana momba ny ady hevitra, ny fanombanana ary ny fanapahan-kevitra

36

Page 37: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

TATITRA FANADIHADIHANA(TAFA)

SERASERAManao ahoana ny fomba fanehoan’ny olona ny heviny (am-bava sy tsy am-bava) ?Moa mihaino ny olona miteny ve ny olona (ary mahazo izay tiany hambara) ?Ahoana ny endrika hifampiresahany (olona iray miresaka amin’ny olona iray hafa ve ; sa

olona iray miresaka amin’ny antokon’olona ; sa ny rehetra soloina mpitarika iray tena )?

Inona no votoatin-dresaka (ara-tsaina ve sa tena azo ampiharina) ?

FAHAIZANA MITARIKA1. Andraikitra (soraty eo amin’ny tokony hisy azy ny anaran’ny olona)Mpiala andraikitra : _______________________________________________Mpibahana : ________________________________________________Mpandrindra : ______________________________________________Mpanindry : _________________________________________________Mpanombana : _____________________________________________Mpanaraka : _______________________________________________Mpiandry varavarana : _________________________________________Mpampifanaraka : ___________________________________________Mpanome vaovao : _______________________________________Mpankasitraka:________________________________

D. RIVO-PIAINANA 1. Fomba fitenenan’ny gropy (manaiky ary mafana, mangatsiaka ary tsy miraharaha, …)2. Fifanarahan-dresaka (ny fandehan’ny fiaraha-miasanareo rehetra)

E. TANJONA KENDRENA1. Fahazavan-kevitra (azon’ny olona rehetra tsara izay ambara)2. Fifantohana amin’ny tanjona efa nekena

F. TOE-JAVATRA HAFA MIOVAOVA1. HALEHIBEN’NY GROPY2. FE-POTOANA3. FITAOVANA ILAINA

© Mamantatra ary mitondra ireo karazan’olona manimba ny fifanarahana ao anatin’ny gropy – 20 minitra

Mpibahana- Manohitra sy misakana ny gropy- Manova resaka tampoka (hors sujet)- Mitsipaka izay soso-kevitra aroso

Tsy mandray anjara- Mampiseho tsy firaharahiana sy tsy fahazotoana- Manao saritsary sy manoritsoritra ary manonofy fotsiny fa tsy mihevitra izay

mitranga- Mibitsibitsika amin’ny namany izy rehefa hiala- Matahotra ny hiatrika tsy fahombiazana na ny tsy fandraisana na fanilihan’ny

hafa

37

Page 38: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

Mpila adymahery setra, be fialonanamanambonin-tena amin’ny faniniana ny hafamanandratra ny “IZAHO” ary be lolom-pomaneho tsy fankasitrahana ny gropy na ny olona ao amin’ny gropy

Mpananihany (clown)manadaladala eran’ny trano fotsinymampihomehy ny olona amin’ny fakàny tahaka sy famerenana izay lazain’ny mpiteny

fotsinymanakotaba ny asan’ny sasanymanelingelina ny fanatraran’ny gropy ny tanjona kendrena

Mpanindrymihevitra fa tsy maintsy hanaiky izay lazainy avokoa ny olona – henjanamiezaka ny mandray fahefanamanapaka foana rehefa miteny ny olonamanambony tena

Mpanavakavakavondron’olona izay manilikilika ny hafamifosafosa

Tsy mifantokatsy mahenotsy maharitra mifantoka

Mipelipelikatsy mahatombon-tsirakamandao ny gropy mandritra ny fotoan’ny ady hevitra

Tsy marisika Tsy fahampian’ny fandaminana sy ny fahaizana mitarika

Fifanakalozan-kevitra

Miaraha manadihady ny fomba hitondrany ny sasany na ny rehetra amin’ireo voalaza eo ambany ireo izay miteraka korontana eo anivon’ny gropy. Anampio amin’ireo voalaza eo ambony ireo ny sakana hafa mety hita tsy hampandeha ny fiasan’ny gropy misy anao.

© Famporisihana ny tsirairay -- 50 minitra

Anisan’ny tsy mampahomby tanteraka ny gropy ny fisian’ny mambra sasany midonana-poana. Ny tsy fandraisan’ny mambra, na iza na iza, andraikitra dia miteraka olana eo amin’ny gropy sy ny mpitarika izany gropy izany. Ny tena olana hita mivaingana dia ny fahaverezan’ny harena sarobidy tokony nentin’io mambra io ho an’ny gropy, ka mampihena ny fahombiazan’ny gropy amin’ny maha tarika iray azy. Etsy an-daniny anefa ny tena olana lehibe indrindra dia ny fanakivian’ny mambra tsy miasa ireo mambra hafa. Ny tsy fandraisan’izy ireo anjara sy ny tsy fiantsorohany ny ampahany tokony ho azy dia mampihena ny hafanam-po ary mety hiteraka voka-dratsy azo tsapain-tanana eo amin’ny gropy. Ny tena antony voalohany mahatonga ny mambran’ny gropy sasany hitomoemoe-poana dia ny tsy fahazoany ny adidy tokony hataony na ny anjara tokony holalaoviny. Ny ankamaroany indray dia tsy ampy ny famporisihina azy hiasa. Tsy an’ny mambra ny fahadisoana. Misy fiantraikany amin’izy ireo foana ny famporisihina raisiny. Kanefa matetika dia tsy misy mihitsy izany, na misy ihany fa tsy jerena izay zavatra manokana tian’ilay mambra sy ny heviny.

38

Page 39: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

Fepetra fototra famporisihana

Loharanon’ny asa rehetra ny famporisihana, ary ny tsy fihetsehana dia vokatry ny tsy fisian’ny famporisihana. Tsy voatery ho midika anefa izany fa tsy nisy ezaka famporisihina mihitsy; kanefa ny ezaka famporisihana tsotra fotsiny dia tsy voatery hiteraka risi-po. Ny fihetsehan’ny gropy dia vokatry ny risi-pon’ny tsirairay ao amin’ny gropy. Matetika ny ezaka famporisihana karazany iray na iray hafa koa dia mety hiteraka fahaverezan-kevitra na tsy firaharahiana. Matetika rehefa misy ny tsy fifankazahoana ao anatin’ny gropy dia noho ny tsy famporisihan’ny mpitarika ny tsirairay. Ary marina ny filazana fa tsy mitarika gropy ianao, fa mitarika ny olona izay mikambana ho gropy, dia ny tsirairay amin’ny maha-olona manokana azy.

Azo ampitovitoviana ny mpitarika gropy sy ny mpivarotra iray. Ny fahaizana mivarotra dia mitaky faharisihana manokana ao amin’ilay mpivarotra. Ary izay no tena ilaina. Ny mpivarotra mahomby dia manampy ny mpanjifa mba hananany faniriana an’ilay entana amidy na ny asa atolony alohan’ny hamaranany ny varotra ataony. Ny mpivarotra izay tsy mahita afa-tsy ny faniriany handafo entana (ka hahazo vola) ary tsy mandany fotoana ilaina hahatrarany ny tanjona tiany mpanjifa kendrena dia hahita fa tsy hahalafo na inona na inona intsony izy.

Toy izany ny famporisihina ny gropy. Rehefa tsy mijery ny fanirian’ny olona tsirairay ao anatin’ny gropy intsony izy dia hahita fa tsy mitarika intsony izy. Tsy mandray ny famporisihana mifanaraka amin’ny zavatra ilainy ny mpikambana ka hiseho amin’ny tsy fanaovany na inona na inona izany.

“Tsy misy izany mambran’ny gropy tsy azo hamporisihina izany. Ny olombelona tsirairay dia manana risi-po hanao zavatra isan’andro. Rehefa manana fifandraisana am-po amin’ny gropy ny olona iray, noho ny fanehoana fahalianana ny amin’ny zavatra iriny, dia hanana risi-po hanao zavatra maro izay mifanohitra amin’ny fanirian’ny tenany manokana izy mba ho tombotsoan’ny gropiny. Rehefa vitany izany dia hahita fahafaham-po kokoa izy noho ny nanaovany izany ho an’ny gropy noho ny ho an’ny tenany”.

Amin’ny maha-mpitarika anao dia tsy maintsy mahavita mampandroso ny gropinao sy ny tsirairay ao anatiny, ho amin’ny tanjona tiana hotratrarina hatrany hatrany ianao.

Amin’ny fiezahana hamporisika ny tsirairay dia ilaintsika ny mahafantatra fa ny filan’ny tsirairay dia tena manan-danja manokana ary mitana toerana lehibe amin’ny fanapahany hevitra ny “handroso”. Ny fikarohana natao vao tsy ela dia maneho fa marisika kokoa ny olona rehefa tanteraka ny filany anatiny. Ny mpitarika dia mila mahatakatra izany filana izany sy ny fomba hampiasana azy hanohanana ny maha-olona fa tsy sanatria hanimba izany.

Ao amin’ny fanadihadihany mikasika ny ambaratongan’ny filàna i Abraham Maslow dia maneho fa ny filàn’ny tsirairay dia mandeha araky ny laharam-pahamehana, ka iriny ny hanomezana fahafaham-po ny filàna lehibe indrindra alohan’ny hanatanterahana ny hafa.

Filàn’ny vatana Filàna fiarovana Fiaraha-monina Haja ny ho tonga amin’ny ambony indrindra (self-actualization)

Filàna ara-batana : filàn’ny olona iray sakafo, fialofana, fitafiana (hafanana), fahafaham-po amin’ny firaisana ara-nofo ary filàna fototry ny vatana hafa.

Fiarovana : ao anatin’izany ny filàna fahatsapana ho voaaro amin’ny loza mananontanina ny tenany sy ny filàna fiarovana ara-batana, ara-tsaina ary ara-pihetseham-po

39

Page 40: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

Ara-piaraha-monina : ny filàna namana sy fifaneraserana amin’ny olon-kafa, ny fahatsapana fa tafiditra sy ekena ho ao anatin’ny faribolam-piaraha-monina iray.

Haja : azo zaraina anaty sokajy roa mifampiankina tsara io filàna io dia ny fanajana ny tena sy ny fanajan’ny hafa. Tafiditra ao anatin’ilay voalohany ny fanajantsika ny tenantsika, fahatsapana ny tombambidin’ny tenany, fahazakan-tena ary fahafaha-manao. Ny faharoa dia mahafehy ny filàntsika fanajana, dera, fankasitrahana ary toerana sy laza eo imason’ny fiaraha-monina.

Ny ho tonga amin’ny ambony indrindra: ny filàna ny hanao zavatra betsaka arak’izay tratra, hampitombo tanteraka ny fanomezam-pahasoavana sy ny fahafahana manao zavatra.

Manambara zavatra roa mahaliana mikasika ireo filàna ireo i Maslow. Voalohany, raha tandindomin-doza ny iray amin’ireo filàna ambonimbony kokoa dia mihemotra amin’ny filàna ambanimbany kokoa avy hatrany isika hiaro azy. Tsy hiraharaha momba ny toerana sy ny laza eo imason’ny fiaraha-monina, ohatra, isika raha toa ka maty mosary. Noho izany, raha toa ka miseho ho manohitohina ny fahatsiarovan’ny olona tena ho voaaro ianao amin’ny fiovana atolotrao amin’ny maha-mpitarika anao, dia aza gaga raha mamaly bontana avy hatrany izy amin’ny fiarovan-tenany.

Misy ny fanamarihana fa ny filàna izay efa nahitana fahafaham-po dia tsy mamporisika intsony. Rehefa afa-po amin’ny filàna iray ny olona iray dia manomboka mahatsiaro ny filàna hafa izy. Ary io farany io indray no mamporisika azy. Hita miharihary ny fahamarinan’izany filazana izany. Rehefa afa-po tokoa mantsy isika eo amin’ny lafiny filàna ara-batana sy ny filàna fiarovana dia tsy dia mamporisika antsika intsony izany. Azo iadian-kevitra ny fahamarinan’izany amin’ireo ambaratongam-pilàna hafa.

Any amin’ny pejy hafa amin’ny asany ihany i Maslow dia manamarina fisiana ambaratongam-pilàna hafa, izay ampitahainy amin’ny vondron-kintana (galaxies) eo anivon’ny tontolon’ny saina : filàna ara-tsaina (fahalianan-kahalala zavatra [curiosité], ny filàna fahatsarana (esthétique) (filàna fahatsaran-tarehy, filaminana sy haja). Taty aoriana koa izy dia miresaka momba ny hoe filàna ara-panahy, ny filàna hisintaka amin’ny tenany ka hahatsiaro tena ho isan’ny hery iray ambonin’ny tena. Amin’ny maha-mpikaroka tsy momba ny fivavahana azy dia tsy nanome ny anarana hoe “Andriamanitra” i Maslow hilazany ity HAFA izay mahavery sy mampiseho ny izaho ity, saingy ny hery miasa manginan’ny fomba amam-panao Jiosy nitaizana azy dia hita taratra mazava ihany. Eny tokoa, tena misy filàn’olombelona lehibe ao ambadiky ny fitadiavana an’Andriamanitra.

Hezberg ihany koa dia nilazalaza tamin’ny fomba hafa fa io fahafantarana ny olombelona io dia tena ilaina hamporisika ny tenany. Izy dia mino fa ireto famporisihina dimy nolazaina manaraka ireto dia manome fahafaham-po ny filàn’ny tsirairay :

Fahatsapana ho mahavita zavatra :- fahatsapan-tena ho mahavita azy rehefa mahavita asa iray tam-pahombiazana- ny fahatsapana fa manan-danja ny anjara birikinao eo amin’ny fahatrarana ny tanjona

kendren’ny gropy- mifanaraka amin’ny fahasarotana miseho ny fahatsapan-tena ho mahavita zavatra

40

Page 41: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

Fankasitrahana:- mankasitraka ny anjara birikin’ny olona iray- mankasitraka ny asa vita- mandray fankasitrahana mifanaraka amin’ny zava-bita

Fahalianana- mahatsapa fa sarotra ny asa ary mitaky ny tsara indrindra avy amin’ny tsirairay

Andraikitra:- mahazo alalana hanara-maso ny asa atao- atokisana- mahazo fahefana handray fanapahan-kevitra ary hitakiana fanazavana momba ny asa

vita

Fandrosoana- fahatsapana fa amin’ny maha ianao anao dia mivelatra sy mandroso ianao eo amin’ny

traikefa sy ny fahaiza-manao- ny fiandrandrana toerana ambonimbony kokoa na fandrosoana- manokatra toe-javatra mifanaraka amin’ny filàn’ny tsirairay, sy làlana hahalalana

izany no mety ho asa sarotra indrindra ary tsy azo iadian-kevitra fa feno fihaikana nefa mampanantena valim-pitia tokoa ho an’ny mpitarika izany.

Asan’ny gropy

Asaivo manome anaran’olona efatra (4) mitondra olana hita ao amin’ny kliobany na ny tarika misy azy ao amin’ny gropy. Ampiasao ny haren-tsain’ny gropy hikatsahana vahaolana na/sy hahazoana fomba hamporisihina ireo olona ireo.

Famporisihina ny tanora zandriny (latsaky ny 20 taona)

Mitadiava fifandraisana (fihavanana) Manomeza tontolo iainana mety ho amin’izany Tsy maintsy mino izy ireo fa manan-danja aminy ny olon-dehibe Mijoroa am-pahatokiana amin’ny fanohanana na amin’ny fanilihan’ny olona anao

amin’ny maha-olona afaka mitarika azy ho amin’ny toe-piainany ho avy anao. Famporisihina ataon’ny tena manokana : Ianao mihitsy no mikarakara olona iray

manokana

Misehoa ho ohatra alain’ny hafa tahaka Olon-dehibe izay tiany sy hajainy noho ny fitondrantenanao sy ny fihetsikao Olon-dehibe mivelatra eo amin’ny fomba fiheverana : tsara lahatra ka mazava

tsara ny hevitra

Tandremo ny fiziriziriana amin’ny hevitry ny tenaAza mihevitra fa midika ho fahamatorana bebe kokoa noho ny tanora vao misondrotra ny

halehiben’ny vatanaAza mihevitra fa ny tanora tsara bika dia marani-tsaina sy mandray andraikitraAza mihevitra fa ny tanora ratsy tarehy sy matavy be dia tsy tan-dalàna sy tsy mandray

andraikitra na kamoNy fiheveran’ny lehibe azy ireo dia hoe “Araka ny fomba hitondrana anay no ataony”

41

Page 42: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

Omeo toe-javatra mety handraisany faharisihina hanomboka fa tsy hiandry ny hafa ny tanora

Mamorona fihetsiketsehana izay mampianatra ny tanora hamporisika ny tenanyAvelao izy ireo handray adidy mba hanefeny ny tontolo iainanyAtoroy azy ny fetra mifanaraka amin’ny fitondrantena azo ekenaOmeo drafitra ampy handrisika azy manomboka avy hatrany fa tsy hiandry ny hafaOmeo ho eo an-tanany ny fanaraha-maso izay mety ho vitanyam-pahombiazana sy

azony tombanana

Ampidiro amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra ny tanoraMandrafeta fomba hanomezana fahazakan-tena bebe kokoa

amin’ny fametrahana fitsipika amin’ny fisafidianana sy fanomanana fandaharana (programmes) amin’ny fanaovana fifanarahana amin’ny tsirairay sy ny gropy amin’ny fisafidianana ny valisoan’ny gropy amin’ny fitarihan-dalana marina amin’ny asa atao amin’ny fanombanana ny fandaharan’asa

Ampifandanjao ny fahazakan-tenan’ny tanora sy ny fanaraha-mason’ny olon-dehibe, mba ho arakaraky ny fahaiza-manaon’ny tsirairay.

Avelao izy ireo hanara-maso izay zakany Asio ny fanaraha-maso mety ilaina mba hiarovana ny tanora amin’ny faharatrana

noho ny tsy fahampian’ny traikefany, ary ahenao kosa anefa izany arakaraky ny fahazoan’ny tanora traikefa sy andraikitra.

Aoka ho tsara ny hery miasa mangina avy amin’ny namana Tena lehibe tokoa ny hery miasa mangina avy amin’ny namana, saingy ny

ankamaroan’ny tanora zandriny dia mitana ny fampianarana azony avy tamin’ny ankohonana misy azy.

Mety ho famporisihina mametraha fitsipi-pitondrantena manomana hetsika mitaky fiaraha-miasa fa tsy fifaninanana mametra tanjona kendren’ny gropy sy valisoa izay mitaky fiaraha-miasa manomana hetsika izay handraisan’ny gropy fankasitrahana noho ny

fanampiany na ny fandraisany anjara omeo anjara amin’ny tantara foronina lalaovina hakàna tàhaka toe-javatra iray

na maromaro izy avelao hifanolotra torohevitra izy samy izy avelao hifampianatra izy samy izy

Tehafo (ankasitraho/amporisiho) ny fanirian’ny tanora hanao voady Tanjona fohiezaka na manomeza fankasitrahana Ny voady dia tokony safidy ataon’ny tena manokana Manana anjara amin’ny fahatsapan-tena ho mahazaka tena ny “safidy” Tokony tena hisy heviny manokana aminy sy amin’ny hafa ny fanaovana voady

Mitady toe-javatra azo antoka hahafahan’ny tanora mirisikaAmpahany ara-dalana amin’ny fitomboana ny fandraisana risikaManampy ny tanora hitombo ny risika ary manampy koa hampiasany ny herimbatana,

ny herintsaina ary ny heriny eo amin’ny fiaraha-monina izay manohitra ny tena

42

Page 43: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

zava-misy marina. Manampy azy hanana fiheverana tsara momba ny tenany koa izany.

Mametraka fihaikana ny risika. Raha toa ka tsy dia tena mampahatahotra loatra ny toe-javatra dia manome famporisihina ny firisihana, manampy amin’ny fampitomboana ny tombambidin’ny tena ary miaro amin’ny loza ara-batana sy ara-tsaina izany.

Maneho hafanam-po handrisihina ny hafa

Iray amin’ireo fitaovana tsara indrindra entina hampivelarana ny maha-anao anao ny hafanam-po (enthusiasm). Rehefa misy zavatra tena mampaharisidrisika antsika eo amin’ny fiainana dia tsy mitsahatra miresadresaka momba iny amin-kafanam-po be isika. Fomba iray hisintonana ny sain’ny olona ny fanehoana hafanam-po ka hahatonga azy ireo ho liana avy hatrany aminao sy ny zavatra lazainao. Raha vao mahazo io hafanana io ianao dia tsy hahatsiaro ho irery intsony.

Raha entam-barotra ny hafanam-po dia hifandrombahana mihitsy. Mila azy avokoa ny rehetra. Mameno hetahetam-panahy izy. Mampahazo aina sy mampahafaly ary manatsara ny fahasalamana izy. Mampifoha ny ezaka ataon’ny hafa izany ary manampy azy hanavao ny ezaka vitany. Mampahery azy sy ianao izany. Mamafa tanteraka ny fahakiviana izany ary manome faniriana vaovao ny handroso. Manafoana ny fitiavan-tena sy ny fahatezerana ary ny fankahalana izy. Mamelona toky ny hafanana. Mametraka fifandraisana izay mety tsy ho azo amin’ny fomba hafa izany, ary satria moa ny olona mila fitarihana dia hanintona azy ny olona feno hafanam-po.

Ahoana ny hampivelarana ny hafanam-po

Manàna fahatokiana ny tenanao sy ny hafa. Araka ny filazan’ny mpandinika momba ny saina (psychologue) iray dia fototra ao anaty hananana toky sy fijery ho amin’ny lafy tsarany (optimisme) ary hafanam-po ny “fahatokiana”.

Reseo amin’ny fisainana zavatra tsara sy mety foana ny fironana hieritreri-dratsy (scepticisme) avy eo dia tanteraho izay ao an-tsainao. Mitadiava vahaolana fa aza mifantoka amin’ny mety ho vokatry ny faharesena.

Mitsikia : fiadiana mahery vaika indrindra ny tsiky. Raiso ity torohevitra avy amin’ny Mark Twain ity : “ny fikentronana dia tokony hiseho rehefa mitsiky fotsiny ihany”.

Manolora tena am-pitiavana. Ny olona mafana fo dia tia olona ary manana fotoana ho an’ny hafa, ary manan-kery holaniana.

Afantohy amin’ny tombotsoa ho azo ny saina fa aza mieritreritra ny antony mety tsy hampandeha ny volavolan’asa sy hevitra iray. Mitadiava fomba hampandeha ny asa!

Aza avela hampitanondrika anao ny sakantsakana. Narenina i Beethoven. Tsy nahay na inona na inona i Edison tany an-tsekoly. Nanana fahasembanana ara-batana i Teddy Roosevelt tamin’ny fahatanorany. Jamba i Fanny Crosby. Sady tsy afaka niteny, tsy naheno no sady tsy nahita i Hellen Keller. Nandresy hevitra mibahana mialoha ao an-tsaina (préjudice) i Booker T. Washington. Zavatra iray no niarahan’i zy rehetra ireo nananana dia ny fahatapahan-kevitra ny ho tafita ary nino izy ireo fa azony atao ny ho tafita ary ho tafita tokoa izy. Ampy nandrisika azy handroso izany.

43

Page 44: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

Entano hanara-dia anao ny hafa. Ny olona mafana fo dia teraka ho mpitarika. voatarika ho azy sy an-tsitrapo noho ny hafanam-po ny olona ka avy dia lasa ! mandroso …

Manontany tena angamba ianao hoe ahoana no ahazoana hafanam-po. Angamba mieritreritra ianao hoe tsy karazan’olona mafana fo mihitsy ianao. Tsy marina izany satria misy hafanana avokoa ao anatin’ny olona tsirairay fa ny fatrany no tsy mitovy. Moa te hampitombo ny hafanam-ponao ve ianao sa tianao handalo fotsiny ny fiainana ? (Iray amin’ireo safidy voalaza tany alohaloha tany io e ?)

Ireto misy hevitra sasantsasany hanampy anao hampitombo ny hafanam-ponao :

Omeo loko ny zavatra rehetra ataonao sy lazainao: velomy ny toe-tsaina tia tsikitsiky, areheto ny fiarahabana olona ny masonao sy ny teninao. Manehoa fahakingan-tsaina sy fahaiza-miresaka. Lokoy amin’ny fitiava-namana ny zavatra rehetra ataonao. Ataovy mamiratra ny hafanana sy ny fahatsaram-panahy anananao

Fantaro ny zavatra lazainao sy ataonao: ny olona saron-kenatra sy afa-baraka matetika dia miteny tsy am-piheverana. Ny olona taitaitra indraindray dia mahatsapa fa tsy maintsy miteny ary toa mifangaroharo be ihany ny zavatra lazainy. Mba hampitomboana ny halalin’ny hafanam-ponao dia fantaro ny zavatra lazainao sy izay ataonao amin’ny fotoana rehetra.

Mankasitràha. Manehoa fitiavana. Manehoa hatsaram-panahy. Lazao amin’ny fomba tsotra sy marina ny hevitrao. Ilazao teny fankasitrahana ny olona noho ny zavatra ataony. Amparitaho ho an’ny rehetra ny teny fiderana. Na aiza na aiza misy anao, na inona na inona ataonao, ataovy tsapan’ny olona amin’ny fankasitrahanao azy ny hafanam-ponao. Noana fankasitrahana ny olona. Hery ny fankasitrahana nefa tena ataovy amin’ny fonao madio tokoa izany.

Aza mitompo teny fantatra. Ny olona mafana fo dia tsy manery ny olona hanaiky ny heviny. Mamporisika ny mpihaino azy amin’ny fanatonana hanampy azy akaiky izy ary tsy manahirana ny hafa amin’ny faharesen-dahatry ny tenany manokana na oviana na oviana.

Zavatra tsara ao anatin’ny hafa sy momba azy jerena: aza mety hihaino resaka manaratsy olona na miteny zavatra ratsy momba ny hafa. Aza mihaino fosafosa na mitsara avy hatrany na mitana lolompo. Mamboly tsy fifankazahoan-kevitra ny ahiahy ary mampilentika ny maha-ianao anao amin’ny zavatra rehetra tsy mahasoa. Ny tsara indrindra ao amin’ny tsirairay jerena.

Matoria tsara ary misakafoana tsara ihany koa. Zava-dehibe ilaina amin’ny fanatonana olona ataon’ny tenanao manokana ny torimaso sy ny sakafo ara-dalana. Mba hahafahanao mamoaka ny tsara indrindra avy aminao dia ataovy izay hampahasalama tsara ny vatanao. Miandoha avy ao amin’ny fototra iankinany ny hafanam-po. Karakarao tsara ny vatana ary matoria tsara dia tsy voatery hamorona hafanam-po ianao fa mivoaka ho azy izany.

Mikatsaha zavatra mahaliana iarahana amin’ny hafa : jereo izay zavatra mahaliana anao ary midira ho mambra ao amin’ny fikambanana izay manome fahafaham-po anao amin’io zavatra manokana io. Hahafantatra namana vaovao ianao ary hahita fivelarana tokoa eo amin’ny maha-ianao anao.

Aza be fanahiana. Esory eo amin’ny fiainanao ny fosafosa sy ny zavatra manimba. Aza mizara ahiahy, fahatezerana na fankahalana. Sasao hiala amin’ny fiainanao izay zavatra tsy

44

Page 45: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

tsara rehetra. Izarao fifaliana ny rehetra. Tsarovy ny lalan’ny mpisavalalana : “Mihira mandrakariva ao am-po”

Aoka hampifaly sy ho faly. Manana toe-tsaina mora mandray na mora mahita izay mampihomehy foana sy mampihomeheza ny hafa. Mahay mampihomehy (sens de l’humour) ny olona mafana fo. Miboiboika avy ao amin’ny loharanon’ny hatsaram-panahy izany. Mifalia ary ampifalio koa ny hafa.

Mizara fampaherezana : tsy misy zavatra hahitan’ny hafa ny hafanam-ponao noho ny fahaizanao mampahery azy ireo. Mihainoa ny hafa. Ampio izy amin’ny olana ananany. Avelao hitaraina izy ary tsoahy avy ao anatiny ny fangidiany, ary fenoy fanantenana sy hery ary fahatsapana fahombiazana ny banga mankarary azy. Ataovy mahatsapa fahatsarana kokoa izy noho ny maha-eo anao, sy ny fisokafanano amin’ny olana mahazo azy ary ny fampaherezana ataonao.

Asehoy amin’ny hafa ny maha-olona manan-danja azy : samy te hahatsapa avokoa ny olona rehetra fa manana toerana eto an-tany izy izay tiany mba hoekena. Amin’ny hafanam-ponao dia azonao aseho amin’ny hafa fa manan-danja izy.

Asehoy amin’ny fomba manokana amin’ny olona tsirairay ny firaharahanao azy : amin’ny fanehoana hafanam-po hifandraisana amin’olona dia tsy misy toy ny fanehoana aminy amin’ny fomba manokana fa miraharaha ny aminy manokana ianao. Tsy maintsy azo tsara anefa ny tiana ambara amin’ity hoe “firaharahana” ity. Miresaha ary manaova zavatra izay azon’ilay olona takarina amin’ny sainy. Ampifalifalio izy ary asehoy amin’ny namanao fa miraharaha azy ireo ianao.

Tombambidy efatra ambin’ny folon’ny hafanam-po

1) Ny hafanam-po dia famantarana fa efa misy fiovana ny fiainanao fa tsy mankaleo intsony2) Ny hafanam-po dia tsy manome toerana ho an’ny faniratsirana3) Ny hafanam-po dia manampy anao hanana ny maha-izy anao manintona4) Ny hafanam-po dia fangatahana amim-pitiavana sy amim-pamendrehana ny fiheveran’ny

hafa.5) Ny hafanam-po dia mankasitraka ny tombam-bidin’ny zavatra rehetra6) Ny hafanam-po dia tsy manan-toerana ho an’ny fanasarana amin’ny teny maro7) Ny hafanam-po dia fomba hanaovana fampiraharahana aman’olona sy fandresen-dahatra8) Ny hafanam-po dia lakile manokatra varavarana sy mampandroso hevitra9) Ny hafanam-po dia sary maneho fankasitrahana sy fahatokiana ny tena ary fifehezan-tena10) Ny hafanam-po dia fomba hahatonga ny hafa haniry hanampy ny tenany mba hanampiany

anao11) Ny hafanam-po dia mampitoetra ny fanahy sy fiaraha-miasa tsy andoavam-bola12) Ny hafanam-po dia mibahana ny lalana ho amin’ny fanarabiana13) Ny hafanam-po dia tsy manome lalana ho an’ny fahatezerana, ny halahelo ary ny

fankahalana14) Ny hafanam-po dia manao izay hahazoan’ny hafa aina

Ampiasao ny hafanam-po

45

Page 46: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

Ny olona mafana fo dia manana toetra mahagaga izay manintona olona maro. Ny olona tahak’izany dia mampahavitrika ny olona : mailaka, mavitrika, manana herim-po hanao zavatra, ary marisika hatrany hiatrika toe-javatra vaovao na ezaka vaovao. Mety ho IANAO izany.

Mazava ho azy fa olona mahafinaritra sy mahery izy ireny ary mpitarika mahavita azy, manana saina matanjaka sy tia karokaroka. Tsy maintsy hanana fahombiazana izy ireo na amin’ny lafiny ara-piaraha-monina na eo amin’ny tontolon’ny asa aman-draharaha.

Raha toa ka olona mafana fo sy tia mandray namana ianao dia ataovy izay hanehoana izany. Aza afenina ao ambanin’ny firakotry ny fisalasalana sy ny fifantohana ao amin’ny tena izany toetra manintona sy lehibe izany.

Aoreno ny hafananaoSoraty amin’ny taratasy avy hatrany ny hevitra vaovao hitanao. Manaova tetik’asa

hanatanterahana azy. Tanteraho ny hevitrao. Mandrehitra ny hafanana eo amin’ny fiainana ny hevitra ary manome hery vaovao.

Avelao hivoaka avy ao anatinao ny fientanana voafehy. Mampiakatra ny tanjakao izany.Manaova zavatra hampiasana ny vatana. Tsy tongatonga ho azy amin’izao ny hevitra. Mila

olona mahatonga azy, ary mila olona hanatanteraka azy.Manaova lisitry izay ampoizinao. Soraty ao avokoa izay hevitra rehetra tonga ao aminao.

Adinooy mandritra ny ora vitsy aloha ilay hevitra mba hisaintsainan’ny ati-dohanao (subconscience) azy ary avy eo dia ivereno indray.

Ampio ity zavatra farany ity amin’izay

Amin’ny fanatrarana tsara amin-kafanam-po ny zavatra kendrena dia iankinan-javatra lehibe ny fahafantaranao ny zavatra sarobidy sy manan-danja aminao. Rehefa fantatrao izay ilainao dia araho avy hatrany. Aza revo amin’ny an-tsipirian-javatra. Aza mety ho tratry ny fandaniam-poana na ny fahalainana. Raha te ho sambatra sy hanana fiadanan-tsaina ianao dia manàna hafanam-po.

Fanamarihana

NY FAHAIZANA MIFANDRAY – 2 ORA

Tanjona

Ny hianatra ny fomba fifandraisana mahomby amin’ny olona rehetra ao amin’ny sokajin-taona rehetra

Fanazavana

Hahazo fahalalana fototra momba ny fomba fifandraisana ny mpandray anjara eo amin’ny fifaneraseran’ny tena aman’olona izay zava-dehibe sy mandaitra tokoa, amin’ny fandraisana anjara amin’ny fifanakalozan-kevitra atao ao anaty gropy sy amin’ny fihetsehana izay hahamora ny fampivelarana ny fahaizana.

A. Ambaratongam-pifandraisana – 40 mn1. Ny atao hoe fifandraisana

46

Page 47: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

2. Ambaratonga dimin’ny fifandraisana3. Ny lafiny resaka eo amin’ny fifandraisana4. Sakana ho amin’ny fitenenana mahomby5. Fitsipika ho amin’ny fitenenana mahomby

B. Fahaiza-mihaino – 40 mn1. Ny lafiny fihainoana eo amin’ny fifandraisana2. Sakana ho amin’ny fihainoana mahomby3. Fomba fihaino mahomby4. Fitsipika ho amin’ny fihainoana mahomby5. Famahana ny fifandonana

D. “Feedback”1. Feedback : fomba fampitana vaovao2. Karazana “feedback” roa miavaka tsara3. Mandray fanampiana avy amin’ny “feedback”4. Ny fotoana mety hanomezana “feedback”5. Ny fotoana mety handraisana “feedback”6. Ny fomba mahomby kokoa hanomezana sy handraisana “feedback”7. Ambaratonga fanaovana “feedback”8. “feedback” fakan-tahaka

E. Serasera mandeha ireryF. Serasera mifamaly

Fahalalana azo zaraina amin’ny mpianatra

A. Ambaratongam-pifandraisana – 40 mn1. Ny atao hoe fifandraisana Matetika isika dia mihevitra fa rehefa mihetsiketsika ny molotry ny olona iray dia misy ny

atao hoe fifandraisana. Manana hevitra hafa noho ny fitenenana anefa izany. Ao anatin’izany ihany koa ny fandraisana hafatra na ny fihainona. Ao anatin’io lafiny roa eo amin’ny fomba fifandraisana io dia azo ampiana iray fanintelony dia ny “fahazoana resaka”. Indraindray isika dia mihevitra fa azontsika ny tian’ny olona iray, nefa tsy dia izay henontsika no tena tiany hambara. Tiantsika hihaino sy hahazo izay lazaintsika ny hafa.

2. Ambaratonga dimin’ny fifandraisanaAo anatin’ny bokiny mitondra ny lohateny hoe “Why Am I Afraid to Tell You Who I Am?”

i John Powell dia manazava ambaratongam-pifandraisana dimy izay hifaneraserantsika. Tena zava-dehibe tokoa ny fahazoantsika izany.

Ambaratonga 1º -- Fampidiran-dresaka. Amin’ity ambaratonga ity dia resadresaka tsy dia misy dikany loatra no atao, toy ny hoe “Manao ahoana ?” , “Inona foana no nataonao hatrizay?”, “Manao ahoana ny fiainana”. Mifanila amin’ny zavatra tsy misy dikany loatra io resadresaka io, saingy indraindray aza dia aleo manipinipy fanontaniana tahaka ireo, toy izay mangina fotsiny. Raha mijanona eo amin’io ambratonga io anefa ny fifandraisana dia mankaleo ary mitarika ho amin’ny fahatapahan’ny fifandraisana na ny fankahalana aza.

Ambaratonga 2º -- Resadresaka mikasika ny zava-misy. Eo amin’ity ambaratonga ity dia misy fifanakalozam-baovao, saingy tsy misy fanamarihana manokana avy amin’ny tena miaraka aminy. Lazaina fotsiny ny zava-nitranga fa tsy ambaranao ny fihetseham-ponao

47

Page 48: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

mikasika izany. Ny lehilahy no mahay mijanona kokoa eo amin’ity ambaratonga ity noho ny vehivavy satria rizareo tsy dia mahay milaza firy ny fihetseham-pony.

Ambaratonga 3º -- Hevitra sy fiheverana. Manomboka eto ny fifandraisana ety, satria eto amin’ity ambaratonga ity dia mandray risika ianao mamelabelatra ny eritreritrao sy ny fihetseham-ponao ary ny hevitrao. Satria mahatsapa fahalalahana hiteny sy hanambara ny hevitrao manokana ianao dia azo antoka kokoa fa hahafantatra etiety kokoa momba anao ny olona miresaka aminao.

Ambaratonga 4º -- Fihetseham-po. Eto amin’ity ambaratonga ity ny fifandraisana dia manambara izay zava-mitranga ao anatinao, ny fihetseham-ponao mikasika olona na toe-javatra iray. Ambaranao ny tahotra, fahatezerana, fankahalana na fifaliana ao am-ponao. Raha toa ka mizara izany amin’ny fonao marina tokoa amin’ny olona iray ianao, ary misy fifanakalozana amin’izany, asehonao aminy fa mahaliana anao ny fihetsehampony ary voambaranao aminy koa ny anao, dia hampiroborobo sy hampivelatra ny fifandraisanareo izany. Hahatsapa tena ho manana tombam-bidy, ho manintona ny hafa, ho tiana sy ankasitrahana ianao. Hanana fahalalana mazava kokoa hatrany ny toetran’ny namanao ianao, izay hanome anao fahazoana bebe kokoa ny fomba fisainany sy izay fihetsehampony. Ny tena mety izany dia ny fampifandanjana ny hevitra sy ny fihetseham-po.

Ambaratonga 5º -- Fahaiza-mamantatra lalina. Hitranga ny fifankazahoana izay tsy dia fahita firy rehefa mifanara-peo tanteraka ianareo ary hifankahazo resaka sy hisy fifankazahoana am-po lalina. Lasa mifandray an-tendro ny fanandramana lalina izay anao manokana matetika. Matetika dia mamela marika laina eo amin’ny andaniny roa ny fizaràna ireny fanandramana ireny ary mampiroborobo ny fifandraisana. Fifampizarana ny hevitra sy fihetseham-po ananan’ny tena no tanjona ambony indrindra eo amin’ny fifandraisana indrindra fa ny fifandraisana ara-tsaina.

Fampieritreretana : Ambaratonga inona no misy ny fifandraisanareo amin’izao fotoana izao? Moa irinao sy ilainao ve ny hifampizara lalindalina sy etiety kokoa ?

3. Ny lafiny resaka eo amin’ny fifandraisana Eo amin’ny 70% ny ora ifohazantsika dia laniantsika amin’ny fifandraisana : amin’ny

fitenenana, fihainoana, ny famakian-teny na fanoratana. 33% amin’izany fotoana izany dia atokantsika hitenenana. Lasa tena zava-dehibe mihitsy ity singam-potoanantsika ity, satria mampifanakaiky ny olona ny firesadresahana.

Manoatra ny fifanakalozana teny sy vaovao ny araben’ny fitenenana. Amin’ny firesahana dia azontsika atao ny manambara ny fihetseham-pontsika, mampita izay ao anatintsika, manazava ny ao an-tsaintsika, manamafy ny hevitsika ary mifampikasoka amin’ny hafa. Fomba mahafinaritra handaniana fotoana, hifankahafantarana, hampihenana ny fihenjanana sy hilazana ny hevitsika izany. Ny tena anjara asa fototry ny fitenenana izany dia tsy ny fizarana vaovao fa ny fanorenana fifandraisana amin’ny hafa. Ny hatsaran’izany fifandraisana izany dia hiankina be tokoa amin’ny fahaizan’ny andaniny sy ny ankilany miteny.

4. Sakana ho amin’ny fitenenana mahomby

Ny “mpandefa vahaolana” izay mamesatra ny teniny amin’ny baiko sy torolalana ary didy. “Avia eto!” “Haingana”. Manome vahaolana bebe kokoa ny fampitandremana sy ny fampitahorana. “Raha mbola manao izany ianao, dia …!” Vahaolana iray hafa koa ny fanaovana “anatranatra” (morale) be. “Moa tsy fantatrao ve fa tsy …!” Ny ankamaroantsika dia mankahala ny hilazana fa tsy maintsy, na tokony nanao zavatra iray isika, na ny hoe tsaratsara kokoa raha nataonao ho ….

48

Page 49: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

Betsaka amintsika ny mifidy ho “mpanamavo” na dia fantatsika tsirairay avy aza hoe manao ahoana izany hoe hamavoina sy esoina izany. “Ny mpanamavo” dia mitsara, mitsikera ary manome tsiny. “Tsy dia hevitra tsara loatra izany, raha dinihina araka izany ny ao an-tsainao …” Mametaka anaram-bositra maneso ary manala baraka izy: “Ianao dia tena kamolahy sady voretra!’ Miseho ho mahay manazava hevitra sy manatsoa-kevitra amin’ny fandinihany manokana ary mandinika ny saina izy : “Izao fotsiny no antony itenenanao izany …” Miezaka ny mampianatra sy manoro hevitra ry zareo.

Ao koa ny “mpanitsy” dia tsy maintsy mifantoka amin’ny antsipirian-javatra. Ny fanamarihana toy ireny matetika dia ezaka hisintonana ny hafa hifantoka amin’ny tena, tsy mihevitra izay fihetseham-pon’ny hafa amin’ny famelana azy hitantara tantara anankiray arak’izay fomba nahatsapany sy nahatsiarovany azy.

Ny “be dohika” indray dia mahatsiaro fa tsy maintsy miteny ary matetika dia tsy manaiky raha tsy izy no tompon’ny teny farany. Tsy zakany mihitsy ny hanitsiana azy koa dia manana fitondrantena miseho mahalala ny zavatra rehetra izy. Matetika ny “be dohika” dia tena te halaza, saingy araky ny hitenenan’ny vavany no mahatonga ny olona ho leo azy sy hanapahany ny kofehy mifamatotra azy amin’ny hafa.

Ny “tsy be teny” dia mampiasa ny fahanginany ho fitaovam-piadiana na fomba hifehezana. Rehefa ny lehilahy no mangina dia misy fihetseham-po be toy ny tahotra sy ny fahatezerana ao anatiny. Ny vehivavy kosa indray dia mampiasa fahanginana rehefa misy zavatra tsy rariny nihatra taminy na rehefa very hevitra tanteraka sy very fanantenana izy. Mety mangina tanteraka ny olona iray satria tsy nohenoina izy, na mety mijaly noho ny ratra anaty izy. Ny kristiana sasany dia mahatsapa fa tsy mety ny milaza izay ao an-tsaina. Nefa ny manakombona ireny fihetseham-pony ireny dia mampijaly ara-batana sy ara-tsaina ary ara-panahy.

5. Fitsipika ho amin’ny fitenenana mahomby

Fidio ny fotoana mety hiresahana amin’ny namanao.

Mety mitombona ny resaka ataonao, nefa tsy amin’ny fotoana mety. Raha misy zavatra manokana (hevitra sy fihetseham-ponao) tianao holazaina dia tsy hoe vao miditra ny trano izy dia aborakao aminy izany. Raha toa ka te-hiresaka manokana amin’ny namanao ianao dia mifidiana fotoana iray hahafahany mamaly anao am-pifaliana.

Mianara manana fomba fitenenana mahafinaritra

Tsy ny zavatra lazainao matetika no zava-dehibe fa ny fomba hilazanao azy. Mampitony ny miara-monina amin’ny olona manana feo malefaka sy tony. Ataovy izay hahamora ny fihainoan’ny olona anao.

Mazava sy hentitra tsara rehefa miteny

Mitranga avy amin’ny resaka mifangaroharo be ny tsy fifankazahoan-kevitra. Miezaha mieritreritra rehefa miteny, ary lazao mazava izay tianao ambara. Azo atao ny mamaha ny olan’ny resaka mifangaroharo amin’ny fanambarana ny fikasanao. Ohatra : “Tiako hasaina hisakafo aty an-tranontsika ry Rakoto mianakavy amin’ny alahady maraina raha tsy mampaninona anao”.

Mijere lafy tsarany hatrany

49

Page 50: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

Amin’ny tokantrano maro ny 80% ny resaka atao dia ratsy avokoa. Teny mitsikera, manome tsiny, mitsara sy mamosobosotra ary zavatra ratsy hafa no tena mahazatra ny sofina ka lasa zavatra mety ireny fihetsika ireny. Aza dia miteny zavatra ratsy foana fa miteny zavatra tsara sy feno fankasitrahana bebe kokoa.

Manehoa fahalalam-pomba sy fanajana ny hevitry ny namanao.

Azonao atao izany na dia tsy mitovy hevitra aminy aza ianao. Ataovy izay hahazoany aina toy ny fikatsahanao izay hahazoanao aina. Ary manàna finiavana hihaino. Tsy tokony hihoatra ny 50% n’ny fotoana iresahana ny fotoana itenenanao.

Raiso am-po ny zavatra ilain’ny namanao sy ny fihetseham-pony

Manàna faharetana sy fahaizana mahatakatra ny ao am-pon’ny namanao rehefa mamaly izay zavatra lazainy. Raha maratra ny namanao, dia ho tsapanao ny ratra ary mety harary miaraka aminy aza ianao. Miaraha-mizaka aminy ny zavatra ilainy sy ny fahatezerany, ny tahotra, ny fahadisoam-panantenana ary ny ahiahy ao anatiny. Toy izany koa raha mahatsiaro faly ny namanao noho ny fandrosoana iray dia miaraha-mifaly aminy.

Mianara miresaka

Zava-kanto ny resaka ka tokony hamporisihina ny hampivelarana azy. Ny fifanakalozan-kevitra momba ny lohahevitra iray dia mampivelatra ny fifandraisana.

B. Fahaiza-mihaino 40 mn

1. Ny lafiny fihainoana eo amin’ny fifandraisana

“Ny tsy fihainoana tsara” hoy ny manam-pahaizana mpandinika ny saina iray “no fototry ny olana eo amin’ny fifandraisana matetika. Mazàna dia miteraka fahasorisorenana sy fahatezerana fotsiny izany. Saingy rehefa miresaka zavatra lehibe iray ny olona iray, ka miezaka ny hamaha olana iray na mitady fanohanana ara-pihetseham-po dia mitady hitera-doza ny tsy fahaizana mihaino”.

Ny ankamaroantsika anefa dia tia miteny kokoa noho ny mihaino. Tiantsika ny milaza ny hevitsika sy manambara ny zavatra fantatsika sy izay tsapantsika momba ny zavatra iray. Mandany hery bebe kokoa isika hilazana izay ao an-tsaintsika noho ny mampiseho fahalianana rehefa mba mitantara ny hafa. Toa heverina ho zavatra tsotra ny mihaino ; kanefa ny ankamaroantsika dia tsy mahay mihaino satria ny fihainoana dia asa mafy.

2. Sakana ho amin’ny fihainoana mahomby

Ilay “kamo mihaino” dia efa naheno izay lazaina aminy taloha. Rehefa mamerina ny fitarainany momba ny asany ny olona iray dia mety mieritreritra ianao hoe “io indray ity fa manomboka” ary dia ampatorianao ny sainao. Indraindray anefa dia tena mitantara zava-baovao izy ary mitady hevitra fanohanana sy fampaherezana avy aminao dia mety tsy ho azony izany.

Ny “mpihaino manavaka” kosa dia mandray tapatapany kely amin’ny zavatra resahana fotsiny, izay mahaliana azy ary manary ny sisa. Ohatra : mety manao zavatra hafa ianao mandritra ny fotoana itenenan’ilay namanao. Ny ankamaroan’ny zavatra lazainy dia mitsofoka ao amin’ny sofina iray ary mivoaka ho amin’ny sofina ilany, nefa raha vantany vao manambara zavatra iray izay tena mahakasika tanteraka anao izy dia manongilan-

50

Page 51: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

tsofina tanteraka ianao. Ny olona sasany indray dia tsy tia mihaino zavatra tsy mahafinaritra, na mahasosotra na zavatra hafa toy izany. Tsy misy zavatra azontsika anefa avy amin’ny fandavantsika hihaino zavatra tsy tiantsika hohenoina. Amin’ny toe-javatra maro dia mila mahafantatra ny zava-misy rehetra isika handraisantsika fanapahan-kevitra.

Ny “mpiaro tena” indray dia mamadika ny zavatra lazaina rehetra ho toy ny fiantsiana azy.

Ny “mpanapa-teny” indray dia mandany ny fotoana fotsiny mamolavola izay havaliny ny zavatra reny, tsy dia mifantoka loatra amin’ny zavatra lazaina izy. Tsy misy mahaliana azy afa-tsy ny heviny ihany ary zara raha mihaino izay lazain’ny hafa izy fa miandry fotoana fotsiny hahafahany miteny. “Ehh, tsy misy dikany izany ….” na ny hoe “mampahatsiahy ahy ……. izany !”

3. Fomba fihaino mahomby

Tsy zava-baovao ny fanomezan-danja manokana ny fahaizana mihaino, saingy tato ho ato izay dia nifantohana kokoa ny fahaizana sy ny faniriana hiteny malalaka noho ny fihainoana. Amin’izao fotoana izao anefa ny sekoly sasantsasany dia efa mampianatra fomba fihainoana. Ny toeram-piasana koa dia efa mamporisika ny mpiasa ao aminy hanaraka fampianarana manokana momba ny fahaizana mihaino. Ny manam-pahaizana manokana amin’ny famahana olana eo amin’ny tokantrano dia mampianatra ny olona hihaino ny hafa ao an-tokantrano. Ireto misy fomba sasantsasany omen’ny manam-pahaizana hanampy anao sy ny namanao hanatsara ny fahaizany mihaino.

- Jereo tsara ny fihetsiky ny mpiteny izay mety manambara zavatra. Mampita hafatra amin’ny alalan’ny teny isika, nefa manambara zavatra koa isika na dia tsy amin’ny tenintsika aza. 55%n’ny zavatra ampitaintsika dia ambarantsika eo amin’ny endritsika manjonotra amin’ny sento tokana, amin’ny tarehy ratsy na ny fijerin’ny masontsika. Miteny mafimafy kokoa noho ny teny aloaky ny vava ireny. Ny hafatra tsy ambara am-bava koa dia mety ampitaina amin’ny fomba fijoro na fomba fihetsika : amin’ny alalan’ny tongotra apaipaika amin’ny tany, na amin’ny nify mihidy vazana na amin’ny fihetsika maneho fahasosorana. Ireny karazam-pihetsika rehetra ireny dia manambara ny fihetseham-po miafina ambadiky ny teny ary manangana sakana alohan’ny hanombohana ny resaka aza.

- Maneke ho mpanokatra ny varavarana. Fomba tsara iray hihainoana dia hita ao amin’ny famaliana miaraka amin’ny “fanokafam-baravarana” na fanasana hanambara bebe kokoa. Tsy mampita na inona na inona mikasika ny hevitra sy ny fihetseham-ponao manokana ireny, fa manasa kosa ny namanao hizara izay ao an-tsainy. Ireto misy ohatra vitsy ny amin’izany : “Hitako ny tianao lazaina”, “Tohizo..!”, “Sa ahoana ny eritreritrao ?” “Tantarao amiko daholo aloha ny tantara”. Amin’izay ianao dia mampahery ilay olona hiteny ary tsy mahatonga azy hieritreritra fa maika ny hiteny ianao. Azo atao koa ny manome fanajana amin’ny filazana hoe : “mety mba haharay vaovao avy aminao aho. Tena zava-dehibe mihitsy ny hevitrao mikasika izany. Tena mahaliana ahy ny zavatra lazainao.”

- Manehoa faharisihina hihaino : mandray hafatra, mandinika, mamerimberina ao an-tsaina avy eo ary manao tsoa-kevitra avy amin’izany, fa ny “mpihaino mavitrika” kosa dia mihaino ny fihetseham-pon’ny mpiteny aloha vao mandray ny hafatra. Samy ilaina avokoa ny mihaino tsotra fotsiny sy ny mihaino amin’ny fahavitrihana, saingy ny mihaino miaraka amin’ny fihetseham-po dia zava-dehibe kokoa eo amin’ny fifandraisana.

51

Page 52: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

Ilaina tokoa ny faharisihina hihaino rehefa tsapanao fa manana olana toy ny fahatezerana, ny fankahalana, fahatsiarovan-tena ho irery, fahakiviana, fahasorisorenana na ratra am-po ny namanao. Mety ho tezitra ianao amin’ny voalohany eo anatrehan’izany fihetseham-po izany. Mety te hifamaly na hiaro tena na hiala teo na hiady. Amin’ny faharisihana mihaino anefa dia mandray izay lazaina aloha ianao, avy eo dia milaza ny hevitrao momba ilay fihetseham-po, fa tsy ny zavatra voalaza.

4. Fitsipika ho amin’ny fihainoana mahomby

Jereo tsara eo amin’ny masony ny olona resahinao. Mifantoha tanteraka amin’ny namanao.

Mipetraha tsara anehoana fa mifantoka amin’ny namanao ianao. Mandritra ny minitra vitsy dia ataovy toy ny hoe tsy miraharaha na inona na inona eto an-tany afa-tsy ilay namanao ianao. Esory tsy ho ao an-tsainao izay mety manapaka ny fifantohana tsy ho eo aminy. Aza miankina amin’ny seza fa somary mandroso kely manongilan-tsofina rehefa mihaino.

Manehoa fahalianana amin’izay zavatra hohenonao. Ampiakaro ny volomaso, ataovy mihatohatoka ny loha, mitsikia, na mihomeheza amin’ny fotoana mahamety izany.

Mifantoha amin’ny zavatra henoinao ary mampiasà teny na fehezanteny kely anehoana fa miombon-kevitra, liana ianao ary azonao ny tiany hambara. Tian’ny namanao ny mahafantatra fa azonao tsara ny hevitra ambarany. Miezaha mieritreritra ny zavatra eritreretiny araka izay lazainy ary ampifandraiso amin’ny fanandramana hitanao izany.

Mametraha fanontaniana voaomana tsara. Ampaherezo amin’ny fametrahana fanontaniana hanehoana fa liana amin’ny zavatra lazainy ianao.

Mihainoa kely ihany aloha . Na dia efa hitanao aza fa vita ny fihainoana azy dia mbola mihainoa ihany.

Fanandramana ataon’ny tena manokana

Manana olana amin’ny fifandraisana ve ianao ? Mandritra ity herinandro ho avy ity dia afantohy amin’ny olanao ny eritreritrao, fa tsy amin’ny mety ho fahadisoan’ny namanao. Ny fahafantaranao ny fisian’izay olana izay no dingana voalohany. Ny dingana manaraka dia ny fiomanana hanitsy ny olana. Ary ny farany dia manaova ezaka hanatsarana ny fifandraisanao amin’ny namanao. Raha tsy azonao antoka tsara hoe inona ilay olana dia anontanio ny namanao izay zavatra tsy tian’izy ireo amin’ny fomba firesakao sy fihainoanao.

5. Famahana ny fifandonana

Zavatra tsy azo sorohana ny fifandonana eo amin’ny fifandraisana. Samy manana ny fomba fijeriny ny olona, ary ho nanasatra be fa tsy mahaliana ny fifandraisana raha tsy nisy an’izany. Kanefa izany faha-samihafana izany dia niteraka tsy fifankazahoana sy fifanoherana izay mety hahatonga fahasosorana sy fahatezerana mafy.

Matetika ny olona dia mihorohoro eo anatrehan’ny fifandonana, noho ny fieritreretany fa loza mananontanona handrava ny fifandraisana izany. Io fahadisoan-kevitra io dia mahatonga ny olona sasany hisoroka ny fifandonana ka tsy manaiky ny fisiany na mandositra izany na

52

Page 53: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

manafina izany amin’ny fitazonana izany ao anatiny. Tsy mamaha na inona na inona anefa ny tsy firaharahana ny fisian’izany. Ny tena marina dia miteraka olana lehibe matetika ny fikobonana izany olana izany ao anaty sy ny tsy famoahana azy. Misy lalàna tsotra vitsivitsy ho amin’ny famahana olana ka hahatonga izany hanasoa fa tsy handrava.

Fidio izay fotoana sy toerana mety. Tsara indrindra ny tony tsara rehefa miresaka olana, kanefa raha tezitra be na tsy araka izany ny iray aminareo dia afindrao amin’ny fotoana hafa ny adihevitra. Aza atarazoka ela loatra anefa na dia izany aza, ary raha tsy miezaka ny hiresaka ilay olana intsony ilay namanao dia raiso ny fanapahan-kevitra hanao dingana voalohany hamahana olana. Tandremo ny manapanapa-teny foana amin’ny fotoana tsy ilàna izany akory rehefa miresaka zavatra lehibe.

Vantano ny resaka. Lazao amin’ny fomba mazava sy am-panajana ny ao am-ponao amin’ny fampiasana amin’ny fomba mety ny “Izaho”. Mitenena mivantana, mazava ary aza be sasinteny na miteny am-pahatezerana. Lazao koa ny antony mahatong anao hanana izany olana izany. Hazavao ny fomba eritreretinao hamahana ny olana sy ny loza mety hitranga. Mitenena am-pahatoniana tsara ary fehezo arak’izay azo atao ny fomba fitenenana azy, ataovy ambany kokoa ny feo fa aza miakatra.

Aza ovana ny resaka. Aza miala amin’iny olana iny raha tsy mahita vahaolana. Araky ny habetsaky ny olana avoaka miaraka no mahakely ny fahafahana mamaly izany. Ataovy fitsipi-dalao mihitsy ny tsy mamoaka olana hafa raha tsy efa voaresaka ny teo aloha. Sorohy ny mitanisa olana sy adihevitra efa lasa. Ataovy fifanekena fa tsy azo raisina ho porofo intsony ny fiampangana efa nitranga talohan’ny enimbolana.

Manehoa fanajana. Mety tsy hitovy hevitra amin’ny namanao ianao, ary mety hanohitra izany mafy ianao. Kanefa dia mbola azonao atao ihany ny manaja ny zony hanana ny heviny. Ireto misy zavatra tsy azo atao mihitsy : ny manompa, ny mandrahona, manipinipy teny mikasika ny fisehoana na ny fahakingan-tsainy, ny mampiasa herisetra, ny mivazavaza na ny manapa-teny. Mety ho tsy tsaroana intsony ny teny atao am-pahatezerana. Tsy misy mahafafa ny fiantraikan’ny fiantsiana na ny teny maharary atao am-pahatezerana. Mitenena ary mihainoa am-panajana.

Ataovy lisitra izay mety ho vahaolana. Rehefa voalaza mazava tsara sy amin’ny fikendrena izay hahasoa fa tsy handrava ny ao am-po dia ho hitanareo ny olana marina ary azonareo atao amin’izay ny mikaon-doha hijery izay hevitra mety rehetra. Avoahy avokoa izay mety ho vahaolana rehetra azo raisina, ary aza mijery ny mety ho fahasarotan’ny fanatanterahana azy. Aza mijery izay mety ho fahombiazan’ilay vahaolana aloha.

Lanjalanjao ilay vahaolana. Rehefa voavoaka avokoa izay mety ho vahaolana rehetra dia azon’ny andaniny roa atao amin’izay ny manao safidy amim-pahendrena tsara ny amin’izay zavatra mety hahomby. Ivereno avokoa ny lisitra rehetra ary mifanakaloza hevitra ny amin’ny mety ho vokany eo amim-pandanjalanjana ny hevitra tsirairay.

Fidio izay vahaolana tena mety. Manàna fandavan-tena hisafidy ny vahaolana manakaiky indrindra amin’ny zavatra tadiavin’ilay anankiray izay mahatsiaro marary indrindra. Mety mitaky fifanarahana sy marimaritra iraisana izany safidy izany. Tsy ny handresy no tanjona satria rehefa misy ny mpandresy dia tsy maintsy misy koa ny resy, ary tsy misy olona ho tia izany hoe resy izany.

Ny vahaolana dia mety ho azo avy amin’ny fandeferan’ny anankiray, amin’ny fandraisan’ny roa tonta marimaritra iraisana na amin’ny fiaiken’ny iray ho diso amin’ny ankilany fa tsy hoe miaiky fotsiny. Tandremo sao ny iray foana no mandefitra. Olona roa no mifandona dia mila olona roa koa no mamaha olana. Ny fiaikena fa diso eo afovoan’ny fifanoherana dia mampiseho fahamatorana satria amin’ny farany dia ho faly ianao mahita fa hay diso no fijerinao ny toe-javatra ary vonona ianao ankehitriny hiova hevitra.

53

Page 54: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

Tanteraho ny fanapahan-kevitra. Tapaho hoe iza no hanao an’itsy, aiza ary rahoviana. Rehefa avy mandray fanapahan-kevitra ianareo dia tsarovy fa ny olona roa matetika dia samy manana ny fijeriny ny fifanarahana atao. Ny fifanarahana am-pisakaizana no afaka hanome vahaolana amin’ny fifandonana. Indraindray raha mandefitra ny iray dia hahatsiaro fahatezerana amin’ny tenany ny ankilany ary mety hitarika fahasorenana ho azy izany mandritra ny tontolo andro, ary mety himonjomonjo tsy hety hiteny izy. Mety ho mafy loha koa anefa ny anankiray. Samy mahatsiaro tena ho manana ny marina ka miziriziry amin’ny heviny. Saingy tena zava-dehibe tokoa ve ny hoe iza no diso na iza no manana ny marina ? Ny mpinamana izay mifampiraharaha dia tokony hahavaha ny olana araky ny maha zava-dehibe ny fijeriny ny zavatra takian’ny tsirairay. Mora ny hahitana vahaolana rehefa manana faniriana hijery ny olana amin’ny toeran’ny andaniny ny tsirairay.

Rehefa tsy manara-dalana ny namanao :Na dia te hisoroka fifamaliana aza ianao dia misy fotoana tsy maintsy ho tonga amin’izany

ihany. Rehefa hitanao fa efa mitady hisy izany dia azonao atao ny misakana azy amin’ny fanarahana fitsipika tsotra. Aleo MIFIDY NY TSY HIFAMALY toy izay mampiasa teny mety hanafana ny ady.

Raha toa ka mbola mahita fahatezerana ihany eo amin’ny endrikao izay tsy mihevitra na inona na inona ny namanao, dia mifidiana ny tsy hifamaly fa lazao am-pahatoniana sy amim-piheverana tsara fotsiny hoe : “Miala tsiny raha izany no nahazoanao azy… Ny zavatra tiako hambara dia izao …”

Raha toa ka mbola manao teny manendrikendrika sy mandratra aminao ihany ilay namanao dia lazao azy mivantana hoe : “Mandratra ahy ny filazanao izany momba ahy izany. Fantatro fa mety manao zavatra mandratra anao koa aho, kanefa andao hiezaka ny tsy hamerina izany intsony amin’ny ho avy”.

Raha toa ka irony mpanakiana irony ny namanao dia aza miaro tena. Aleo aza mandini-tena ny amin’ny “fahotanao”. Rehefa voalazany avokoa ny tiany ambara dia izao lazaina : “Eny ary ! Aleo ary hojerentsika ny zavatra nolazainao tamin’ny voalohany. Raha toa ka tena diso tokoa aho teto, dia vonona aho ny hifampidinika momba izany aminao. Dia mba iriko koa ny hanaovanao toy izany.”

Raha toa ka mampitombo resaka sy manao anao ho fihomehezana ny namanao dia aza manitsy izay lazainy fa izao ezahina ambara : “Fantatro fa mahatezitra anao izany sady toa mateti-pitranga. Koa hiezaka aho ny tsy hitrangan’izany intsony.”

Mety handrava fifandraisana ny fomba fiady tsy ara-drariny, kanefa raha tsy mahatsiaro manara-dalana ny namanao; ianao kosa dia afaka ny mianatra ny ho tony tsara. Aza mifidy ny hifamaly, fa hatreo amim-pahatoniana sy amim-pahanginana tsara ny namanao sy ny toe-java-misy marina. Fehezo tsara ny tenanao tsy ho tezitra, ary averimbereno ny fiheveranao sy ny fihetseham-ponao ary izay faharesen-dahatrao. Azo atao ny misoroka ny fifamaliana mafy amin’ny fifidianana ny tsy hifamaly sy amin’ny famaliana amin’ny fomba feno fiheverana ny zava-misy sy ny toetran’ilay namanao.

D. FEEDBACK 20 mn

1. Ny feedback : fomba fampitana vaovao (Inona no atao hoe feedback?)

Ny “feedback” dia fampitana fahalalana izay entina hampahafantatra ny olona iray ny fiantraikan’ny zavatra natao sy ny teniny amin’ny hafa na ny gropy.

54

Page 55: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

Ny fihetsiky ny olona tsirairay dia valinteny asetry ny zavatra natao na tenin’olona iray hafa, araky ny fomba fijeriny azy ankininy amin’ny toe-javatra iainany, ny traik’efa ananana, ny toetrany, ny fitsipi-piainana arahiny. Noho izany dia mety zavatra hitranga matetika ny fandraisany amin’ny tsy tokony ho izy ny fikendrenao momba azy. Tsy hisy fomba marina hahafantarana izay tena fihetseham-po novokarintsika tao anatin’ny hafa mihitsy raha tsy hoe nolazain’ilay olona antsika izany. Azontsika atao ny maminavina kanefa ny fihetseham-pony dia azy manokana, miafina any anatiny lalina any, ary tsy azontsika baikoana. Tsy ho azontsika atao ny hanova izay ao am-pony raha tsy zarainy amintsika izany ka hanosika antsika hanova ny fihetsitsika sy hampita aminy akaikikaiky kokoa izay tena hafatra tiantsika ho azy. Raha tsy misy “feedback” dia mety hampitombo ny fifamaliana sy tsy fifankazahoana tsy amin’antony ny fandraisana mivaona izay tena fikasantsika.

2. Karazana “feedback” roa miavaka tsara

“Feedback” tsy novolavolaina. Mety hiseho amin’ny fomba maro ny “feedback” tsy novolavolaina : Amin’ny saina mahatsiaro tsara – miatokatoka maneho fanekena Amin’ny saina tsy mahatsiaro – miatokatoka sady matory Tonga ho azy vokatry ny toe-panahy ananana – “Misaotra betsaka” Nangatahana – “Eny e ! Tena nanampy tokoa” Amin’ny vava – “Tsia” Amin’ny fihetsika – mivoaka ny efitrano Amin’ny fomba malalaka – mitehaka

“Feedback” voavolavola Fandinihana – Ny gropy dia manendry mpanara-maso izay tsy mandray anjara amin’ny

asan’ny gropy. Io olona io no mijery ny fomba fiasan’ny gropy sy ny fiantraikan’ny fihetsiketsehana samihafa eo amin’ny mambran’ny gropy. Omen’ny gropy fotoana izy hahafahany mametra-panontaniana mikasika izay zava-dehibe aminy. Mandinika sy miady hevitra ny toe-javatra arak’izay itiavany azy ny gropy.

Fandinihan-tena – Mampiasa vata fandraisam-peo na fandraisan-tsary mba hahafahan’ny olona iray maheno na mahita ny vokatry ny fihetsiny amin’ny hafa.

Fampianarana – Manara-maso mambra iray ny mambra iray hafa ary avy eo dia mampianatra azy ny fomba mety hahitany fahombiazana kokoa.

“Feedback” ataon’ny tena manokana – Tena mivantana ary ahitana fahombiazana mihitsy ity raha atao amin’ny fikendrena hanampy ny hafa. Maro ireo toromarika novolavolaina hanomezana sy handraisana “feedback”.

3. Mandray fanampiana avy amin’ny “feedback”

Manamafy – Mety hanamafy fihetsika iray ny “feedback” amin’ny famporisihina ny famerimberenana azy. “Tena nanampy be ahy ianao tamin’ny nanomezanao ilay fanazavana”.

Manitsy – Afaka mamerina ny fihetsika ho amin’ny lalana tena izy ny “feedback” atao amin’ny antony. “Tena nety nanampy ahy mihitsy ny fitsangananao rehefa miteny”.

Mamantatra – Mamantatra olona sy ny fifandraisany ny “feedback”. “Joe a ! Noheveriko ho mpifahavalo mihitsy isika, hay tsy izany, sa ahoana?”

Mamirapiratra – Ny “feedback” dia mamariparitra kokoa fa tsy dia manombatombana. Manoritsoritra ny fomba fihetsikao izy ary mamela ny tsirairay hampiasa malalaka ny zavatra voarainy arak’izay hitany fa mahamety azy.

55

Page 56: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

Amin’ny tsy fampiasana teny manombatombana dia mampihena ny mety filàna ny hiaro tena ao amin’ny tsirairay izany.

Voafaritra tsara – Voafaritra tsara kokoa ny “feedback” fa tsy amin’ny ankapobeny fotsiny. Ny filazana fa “manjakazaka” ny olona iray dia mety tsy hahasoa kokoa nohon’ny filazana hoe : “Tamin’ny fotoana niresahantsika momba ilay olona dia tsy nihaino izay nolazain’ny hafa ianao, koa dia nahatsiaro ho voatery nanaiky ny hevitrao fotsiny aho mba tsy hiadianao amiko”.

Mifanaraka amin’ny ilàna azy – Mila lanjalanjaina tsara ny filàn’ny mpandray sy ny mpanome “feedback” ary mety hanimba zavatra izany raha toa ka tsy manome fahafaham-po afa-tsy ny filantsika manokana fa tsy mihevitra izay filàn’ny hafa.

Azo ampiharina – Mampitodika ho amin’ny fitondrantenan’ilay mpandray azy ka mbola azony ahitsy izany. Mitombo fotsiny mantsy ny fahasorisorenana raha toa ny olona iray ampahatsiahivina foana momba toe-javatra izay tsy ahafahany manao na inona na inona.

Angatahana – Tadiavina ny “feedback” fa tsy terena. Tena ilaina indrindra ny “feedback” rehefa ny tenany mpandray mihitsy no mamoaka ny karazam-panontaniana itadiavany valiny avy amin’ireo mpanara-maso azy.

Tonga amin’ny fotoana mety – Mila fotoana mety ny “feedback”. Amin’ny ankapobeny dia tena ilaina tokoa ny “feedback” fotoana kely aorian’ilay fihetsika (mazava ho azy fa miankina amin’ny fahavononan’ilay olona handray azy izany, na koa amin’ny fisian’ny fanohanana avy amin’ny hafa, …)

Mazava – Dinihina tsara ny “feedback” mba hahazoana antoka fa azo tsara ny hafatra nampitaina. Iray amin’ireo fomba azo anaovana izany ny fangatahana amin’ilay mpandray azy hamerina ilay hafatra voarainy mba hahitana raha mifanaraka amin’izao ao an-tsain’ilay mpandefa izany.

Marina – Rehefa omena eo anivon’ny gropy ny “feedback” dia azon’ny mpanome sy ny mpandray ny mifandinika amin’ny mambran’ny gropy hafa ny amin’ny fahamarinan’ilay “feedback”. Moa fahatsapan’ny olona iray izany sa iombonana amin’ny hafa ?

4. Ny fotoana mety hanomezana ny “feedback”

- Ao anatin’ny rivotry ny fifampitokisana sy fifandraisana mafana- Amin’ny fiheverena ny hafa amin’ny maha-olona manokana azy- Tsikelikely- Amin’ny fahatsapana izay fihetseham-pon’ilay mandray azy eo am-pandraisana azy- Amin’ny fotoana mety sy ilàna azy indrindra- Amin’ny maha fanandramana efa niainana fa tsy hevitra foroporonina ao an-tsaina fotsiny

na tolo-kevitra be fahantany.- Rehefa entanin’ny fitiavana sy faniriana hanampy izany.- Rehefa voafaritra tsara izany ary notsoahina avy tamin’ny traikefan’ny gropy.- Rehefa tazonina ho ao anatin’ny gropy ihany izany.- Rehefa tadiavina sy irina izany.

5. Ny fotoana mety handraisana “feedback”

- Rehefa misokatra tsara ka vonona ny handray azy toy ireny nangatahina ireny ilay olona.- Rehefa vonona ny hanisy fiovana amin’ny fiainany izy.- Avy amin’ny olona izay hajain’ilay mpandray.- Rehefa afaka mandanjalanja tsara ny saina- Amin’ny fotoana tsy hieritreretantsika ny hiaro tena- Rehefa avy nohamarinin’ny hafa tao amin’ny gropy izany- Rehefa atokisan’ny ao amin’ny gropy

56

Page 57: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

- Rehefa tsy manitsakitsaka ny fahamarinanao izany- Raha toa ka afaka mandà izany malalaka ianao raha tianao izany- Raha toa ka nokendrena hanampy fa tsy hanasazy izany- Raha mikasika fitondrantena azonao ovàna izany- Raha manoritsoritra ny zavatra nataon’ilay olona izany fa tsy mitsaratsara. Mety kokoa

ohatra ny miteny hoe “Rehefa mivazavaza amiko ianao dia tsy te hiresaka aminao intsony aho”, noho ny hoe “maharikoriko ery ianao rehefa mizavazava ahy”.

6. Ahoana ny fomba mahomby kokoa hanomezana sy handraisana “feedback”

- Manàna fifandraisana etiety kokoa- Manàna fifandraisana manokana mahafa-po kokoa- Ianaro ny fiantraikan’ny ataonao amin’ny hafa- Ataovy ara-dalàna kokoa ny fahaizanao mifanerasera amin’ny hafa- Ataovy mifanaraka amin’ny zavamisy ny fijerinao ny tenanao- Misokafa kokoa amin’ny fanandramana vaovao- Mijoroa amin’ny maha-olona manokana anao.

7. Ambaratonga fanaovana “feedback”

Mampitovy tantana – Atavoy fantatry ny olona (ny hafa) izay zavatra tsapanao mikasika ny tenanao manokana. “Reraka aho”, “Sorena aho”, “Faly aho”.

Mifanatrika – Mampahafantatra ny hafa izay zavatra tsapako mikasika azy.“Miezaka ny hanampy anao aho amin’ny fanazavana azy”.

“Rehefa manao izatsy na izaroa ianao dia mahatsiaro ho voahilikilika aho”.

Mihaona – Fifampiresahan’ny olona izay mampitovy tantana sy mifanatrika

8. “Feedback” fakan-tahaka

Ny “feedback” mitondra fanampiana marina dia mitaky ny fahafantarana sy ny fahaizan’ny olona iray mamehy ny fihetseham-pony. Izao no modely fanomezana “feedback” : “Rehefa (milaza fihetsika) ianao, dia mampahatonga ahy ho toy izao izany …” Manome fahalalna ho an’ny ankilany izany ary tsy mamoha ny fiarovantenany, fa mamela azy handinika ilay olana amin’ny fahalalahana, araka izany finidiny.

D. SERASERA MANDEHA IRERY 10 mn

SARY 1(Sary p.67)Taridalana: diniho ireto efajoro lavalava ireto. Omeo lamosina ny gropinao, ary atoroy ny mpanatrika ny fomba hanoritsoritana ireo efajoro lavalava ireo. Atomboy any amin’ny tampony ary farito tsara ny fanaovana tsirairay. Mariho tsara ny fifandraisan’ny efajoro iray amin’ny efajoro efa voasoritra voalohany. Tsy misy mahazo mametra-panontaniana.

57

Page 58: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

E. SERASERA MIFAMALY 10 mn

SARY 2(Sary p.68)Tari-dalana: diniho tsara ireto kisaritsary manaraka ireto. Manatreha tsara ny gropy ary atoroy azy ny fomba fanoritsoritana ireo kisary ireo. Atomboy amin’ny sary ao an-tampony ary farito tsara ny fanaovana ny sary tsirairay. Mariho manokana ny fifandraisan’ny sary iray amin’ny sary efa voasoritra teo alohany. Valio avokoa izay fanontaniana apetraky ny mpanatrika ary avereno ny fanaovana azy raha ilaina izany.

c. Fahaizana mikarokaroka sy fivelarana eo amin’ny fitadiavana boky filan-kevitra 2 ora

TanjonaHanomezana fahalalana ho an’ny mpandray anjara ny amin’ny fomba fianarana sy ny fandraisan’ny olona tsirairay ny lesona.Hanomezana ny mpandray anjara fahafahana hikaroka ny tombambidin’ny zavatra ilaina hampianarana taranja iray sy ny fomba hahazoana izany ary ny fampiasana azy am-pahombiazana.Fanomezana ho an’ny mpandray anjara ny fahalalana mikasika ny tombambidy sy ny hevitry ny lafin’ny fananganana fotoam-pivavahana ao anatin’ny programa.

Fanazavana Ny lesona 4 hodinihin’ny mpianatra :

A. Fomba fianaran’ny olona tsirairay 20 mn1. Ny fomba fijerintsika ny fahalalana2. Ny fomba fandraisan-kevitra3. Ny tena ilàna ny fahaizana mampianatra

B. Fanamboarana fitaovana entina mampianatra 15 mn1. Karazana fitaovana2. Ireo lafin-javatra iankinan’ny fifidianana fitaovana3. Fananganana fitehirizana fitaovana

D. Fananganana fanompoam-pivavahana 55 mn1. Fametrahana fomba fijery tsara eo anatrehan’ny fotoam-pivavahana2. Fahaiza-mikarokaroka eo amin’ny fotoam-pivavahana3. Toerana sy fotoana anaovana fotoam-pivavahana4. Maneho fitiavana mamoron-javatra eo amin’ny fanomanana fotoam-pivavahana

E. Mampiroborobo ny toe-tsaina tia karokaroka amin’ny alalan’ny asa manavanan’ny tanora advantista 30 mn

Ny tanjon’ny fampianarana asa manavanana eo amin’ny tanora advantistaMizaha sy mamoha ny zavatra tian’ny tsirairay sy ny fitiavany mikarokarokaFampianarana asa manavanana eo amin’ny tanora advantista

58

Page 59: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

Lesona azo ampitaina

A. Fomba fianaran’ny olona tsirairay

Fomba fijerintsika ny fahalalana

Tsy azo lavina fa fomba roa fototra no fianaran’ny tsirairay : amin’ny alalan’ny fandraisana fahalalana sy amin’ny alalan’ny fanandramana. Programa sasantsasany no novolavolaina hahakasika ireo lafiny roa amin’ny fianarana ireo. Ny tsirairay dia mahazo fahalalana momba an’Andriamanitra sy ny tontolo iainany ary momba ny tenany manokana amin’ny alalan’ny resadresaka, famakiam-boky, ny haino aman-jery ary ny fifanakalozan-kevitra. Mahazo fahalalana koa izy ireo amin’ny fifangarongaroana aman’olona, amin’ny famangiana toerana sy amin’ny fandraisana anjara amin’ny fandaharana sy fihetsehana atao. Tsy misy fiafarana ny fianarana. Ny olona dia mikaroka sy manavaka fahalalana foana, mampihatra sy manandrana izany izy ary mandray fanapahan-kevitra ny amin’ireo safidy hafa.

Ny fomba fandraisana hevitra

Ny mpanabe dia mahalala fa misy fomba samihafa lehibe roa fianarantsika. Ny voalohany dia ny fomba fijerintsika azy ary ny faharoa dia ny fandraisana azy.

Samy manana ny fomba fijeriny zavatra isika rehetra. Samihafa avokoa ny fandraisantsika zavatra. Ny olona sasany mahazo an-tsaina sy mahita ny lalany amin’ny alalan’ny zavatra azo tsapain-tanana, ny sasany kosa misaina araka ny fomba fanao eken’ny saina. Ireo miankina amin’ny zavatra azo tsapain-tanana dia matetika mifantoka amin’ny fanandramana iainana ankehitriny; mifangaroharo amin’ny tena zavamisy marina izy. Ireo izay misaina amin’ny alalan’ny traik’efa kosa matetika dia mifantoka amin’ny fotopoto-teny tsy azo tsapain-tanana; manadihady ny zavamisy izy ireo ary mamoakevitra arak’iny.

Ny fahasamihafana lehibe faharoa eo amin’ny fomba fianarantsika dia ny fomba fandraisantsika traik’efa sy fahalalana. Ny sasany avy hatrany dia mitsofoka ary manandrana zava-baovao, ny sasany kosa mihanina bebe kokoa amin’ny fijerena izay mitranga. Ny sasany mpijery, ny sasany mpiasa! Samy manan-danja avokoa ireo fomba roa ireo.

Misy fitsipika maro mifandray amin’ny fomba fianarana sy ny ambaratonga fandraisan’ny olona iray lesona :

Faharisihina – Azo antoka kokoa ny hahazoana fahalalana vokatry ny fianarana rehefa ao anaty ny faniriana hianatra. Ilain’ny olona tsirairay ny manana faniriana ny hianatra – ny hanantena hahazo zava-baovao sy hanome fahafaham-po ny fahalianany. Ilain’ny mpampianatra sy ny mpianatra ny hanana izany fahatsapana faharisihina izany.

Fampiharana – Mampahamora ny fianarana ny famerimberenana. Ny tena mpampianatra tsara dia mahafantatra tsara ny tombambidin’ny fampiharana sy ny famerimberenana. Saingy ny famerimberenana foana tsy amin’antony dia mety hanimba zavatra ary tsy misy ilana azy.

Fanandramana tamin’ny lasa – Ny fanandramana efa niainana taloha dia manana anjara asa lehibe eo amin’ny fianarana. Ireo no fototry ny fihetsiky ny olona ankehitriny sy amin’ny ho avy manoloana ny fahalalana eo an-tanana. Hikambana amin’ny fanandramana taloha ny fanandramana vaovao ary hanampy amin’ny famefena fijery vaovao. Ny fianarana dia tokony hahafinaritra tokoa mba

59

Page 60: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

hahafahan’ny olona mamerina ao an-tsaina ny fanandramana tamin’ny lasa ary hahitany ny tombambidin’izany sy ny maha zava-dehibe tsy azo hay adinoina azy.

Fahamatorana – Moramora koako ny hahaizana ary matetika dia mitoetra rehefa ampifanarahana amin’ny fahaizana ara-tsaina sy ny ara-batan’ilay mpianatra ny lesona.

Fihetsiketsehana – Maneho fahavitrihana ny fianarana satria ny mpianatra no manatanteraka azy fa tsy mandeha ho azy amin’ny fampitana fahalalana avy amin’ny mpampianatra tsy akory. Tsy ampy ny fandraisana fahalalana vaovao fotsiny avy amin’ny mpampianatra. Tsy fampianarana ny fitantarana be fotsiny. Zava-dehibe iankinan-javatra ny fihetsiketsehana. Ilaina ny hanomezana fanandramana sy fampiharana izay aseho amin’ny fomba mampihetsiketsika.

Fanamafisana – Ho bebe koka ny fahazoana antoka ny fisian’ny fahaizana vaovao vokatry ny fianarana raha toa ka misy fepetra samihafa manaraka ny fomba famaliana sy fihetsika. Tokony omena fotoana hahafahany mizara ny zavatra hitany ny tsirairay ao amin’ny klioba mba hanamafisana ny fahamarinana sy ny hevitra ianarany.

Fampitana fahaizana – Ny zavatra na fihetsika nianarana avy tamin’ny toe-javatra iray dia azo ampitaina na ampiharina amin’ny toe-javatra hafa. Tokony hamporisihina ny mpianatra hikaroka izay fitsipi-piainana sy hevi-dehibe fonosin’ny lesona ary hahita sy hanadihady ny fomba hafa hampiharana izany amin’ny toe-javatra hafa eo amin’ny fiainana.

Foto-kevitry ny fampianarana mahomby

Ny mpampianatra mahomby dia mampiasa fomba maro samihafa, mifanaraka amin’ny toe-java-misy eo amin’ny fotoam-pianarana iray, fa tsy miankina fotsiny amin’ny fomba fampianarana manokana iray na roa. Misy lafin-javatra maro manampy amin’ny fampahombiazana bebe kokoa ny lesona :

Ny tanjon’ny lesona – Mba hahombiazan’ny lesona iray dia ilain’ny mpampianatra sy ny mpianatra ny hahalala ny zavatra andrasany ho azony avy amin’ilay lesona. Tsy maintsy lazaina mazava tsara ny tanjon’ny lesona ary azo tanterahina ao amin’ny fotoana nomena hanaovana izany. Ny tanjona iray manokana, voambara mazava tsara amin’ny teny fohy dia manome ny toro-hevitra sy tanjon’ny lesona, manolotra ny fototra hisafidianana ny votoatin’ny fampianarana sy ny fomba itondrana azy, ary toe-javatra entina handrefesana ny fandrosoan’ny fianarana.

Ny fitaovana hofantenina ho amin’ilay lesona dia miankina be dia be amin’ilay tanjona, izay mamaritra raha toa ohatra ilay lesona ka hifantoka bebe kokoa amin’ny fomba fianarana, na amin’ny fampiharana, na amin’ny fanehoana fankasitrahana, na amin’ny famahana olana, na amin’ny fitomboana eo amin’ny toetra, sy ny sisa … Mazava ho azy fa ny fanapahan-kevitra mikasika ny karazana sy ny habetsaka ary ny fahasarotan’ny fitaovana izay hampiasaina amin’ny lesona iray, dia vokatry ny fahavononan’ilay olona sy ny fanandramana efa niainany teo aloha mikasika ny fomba fianarana mitovy amin’io ihany.

Fanehoana ny fomba enti-mianatra – Mba hahamora ny fianarana dia tokony ho mora azo ary milamina tsara, aseho an-tsary ary ampiasaina amin’ny fomba maro ny fitaovana vaovao. Mitombo ny fahazoana ny lesona raha voalamina tsara ny fitaovana mba hahitana tsara ny fifandraisan’ny fizarana rehetra, ary voalaza mazava tsara ny fifandraisan’ny fanandramana vaovao sy ny taloha. Manampy betsaka amin’io karazana fianarana io ny fijerena ankapobeny ny zavatra rehetra mialoha ny tena izy.

60

Page 61: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

Mila mahafantatra ny fiantraikan’ny feony sy ny hevin’izany ihany koa ny mpampianatra. Ny fomba fiteny maneho tsy firaharahiana, tsy manintona, miadana, tsy miova fa mitovy lalandava (volan-kakafotra), haingana loatra, matahotahotra, mafy na mankarenin-tsofina dia miteraka ny fahaverezan’ny fifatohan’ny olona.

Mba hampandraisana anjara ny olona eo amin’ny lesona dia ilain’ny mpampianatra ny mampiasa na mamorona fomba samihafa Tokony ho ao anatin’ny lisitry ny fomba enti-mampianatra ny adi-hevitra, ny fanontaniana, ny fanehoan-kevitry ny mpianatra, ny fampitan-kevitra amin’ny alalan’ny fihetsika fotsiny (mîme), ny fivoriana anaovana kabary sy adi-hevitra, ny kilalao an-tsaina, ny fifanakalozan-kevitra.

Rivotry ny fampianarana – Ny toetra sy ny fihetsiky ny mpampianatra dia mety hisy fiantraikany lehibe eo amin’ny karazam-pihetsika asehon’ny mpianatra sy ianarany (izany hoe ny toetoetry ny manodidina ny fianarana). Zava-dehibe amin’ny famoronana rivo-pianarana mahafaly sy mahomby ny toetra maha-izy azy ny mpampianatra, sy ny fomba fifehezana, miaraka amin’ny fahatsapany sy ny fahaizany mifehy ny zavatra ilain’ny mpianatra eo amin’ny ara-tsaina sy ara-pahalalana.

Ilain’ny mpampianatra koa ny mahalala fa misy lafiny maro manodidina ny fianarana izay misy fiantraikany amin’ny rivo-pianarana :

Ny feo – Misy fiantraikany eo amin’ny fianarana ny fisian’ny feo ao anatin’ny efitrano. Mety ho mitabataba be mahatsiravina na mangina ohatr’ireny misy maty ireny. Mety misy feo misamonomonona, na feon-javatra mipoaka, na feon’olona. Mety ho feo mozika malefaka na feona masinina mampangintsin-tsofina. Mety ho feo mikorontana na tsy mety miova izany. Samy hafa ny fiantraikan’ny feo eo amin’ny olona tsirairay avy. Ny olona sasany mahay kokoa ao anatin’ny fahanginana tanteraka, ny sasany kosa tia feo mandravaka ny tontolo ianarany.

Hazavana – Mety hisy fiantraikany eo amin’ny fianarana koa ny hazavana. Misy ny sasany mahay kokoa rehefa mazava be, ary ao koa ny sasany izay tia kokoa ny mianatra amin’ny harivariva eo amorom-patana. Misy zavatra sasany mora hay ao anaty rindrin’efatra, ary misy hafa kosa mitaky toerana eny ivelany.

Hafanana – Misy fiantraikany amin’ny fahafahan’ny olona mandray sy mampihatra fahalalana ihany koa ny hafanan’ny efitra fianarana. Raha mafana loatra ao an-trano dia tsy hahazo aina ny olona ; raha toa ka mangatsiaka loatra kosa dia mety hampifantoka be loatra ny heriny amin’ny fomba hahazoana hafanana izy.

Ny toerana – Ny fandaminan’ny toerana ipetrahana koa dia mety hisy fiatraikany lehibe eo amin’ny fahombiazan’ny fampianaran’ny mpampianatra. Raha toa ka mifanao aloha sy aoriana ny fitoeran’ny mpianatra ka tsy mahita izay miseho eo aloha izy fa takon’ny olona mipetraka eo alohany dia ho varimbariana foana izy ary ho leo. Kanefa raha manao faribolana ohatra ny seza, ka mifankahita avokoa ny tsirairay dia hahomby kokoa ny fampitana ny lesona.

Fitaovana hanampiana ny fampianarana – Aman-jatony ireo fitaovana hanampiana amin’ny fampianarana, izay raha ampiasaina araka ny tokony ho izy dia hanamora ny fianarana. Azo fantenina hanazavana hevitra ao amin’ny lesona ny fitaovana rehetra ; ny tena hifantohana anefa eto dia ny fifantenana. Ilaina ny mieritreritra tsara izay fitaovana mifanaraka amin’io fotoana io.

Fitiavana mikarokaroka – Iray amin’ireo lafiny lehibe indrindra amin’ny fianarana ny fikarokarohana (créativité). Tena ilaina tokoa ny mpampianatra tia karokaroka izay

61

Page 62: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

hampiseho ny fitaovana noforoniny amin’ny fifaliana. Hianatra ny ho tia ny zavatra tiany hatao koa ny mpianatra ary hahafinaritra tokoa ny mianatra !

Hitombo ny fahafinaretana ho azo raha mifantoka amin’ny fomba fikarokarohana ny mpampianatra hampitany ny lesona. Manandrana fomba hafa isan-karazany ary mampiasa zava-baovao !

B. Fanamboarana fitaovana enti-mampianatra 15 mn

Ny fitakian’ny kilasy tsirairay dia mamboatra ampahana fahalalana sy fanandramana natao hamporisika ny mpianatra hampiroborobo ny heriny rehetra. Ny fitakiana iray amin’ny ankapobeny dia manome làlana ho amin’ny fampiasana fomba fampianarana isan-karazany. Kanefa ny mpampianatra dia tsy tokony hahatsiaro ho voafepetra eo amin’ny fampianarana izany fitakiana izany. Ny mpampianatra tsara dia manombatombana ilay fitakiana, ny kilasy, ny toeram-pianarana sy lafin-javatra hafa, ary avy eo dia mifidy ny fomba fampianarana mety indrindra, ao anatin’izany ny fampiasana ny fitaovana mifanaraka aminy.

Ilain’ny mpampianatra ny mahatsapa ny tombambidin’ny fanamboarana fitaovam-pampianarana izay azon’izy ireo ampiasaina hanampy azy amin’ny fanatanterahana ny fitakiana. Ilain’izy ireo ny hanombana izay misy eo am-pelatanany, izay azony samborina, sy izay mety ilaina tadiavina mba hahafa-po ny filàna.

Karazam-pitaovana

Toerana maro no mety ahitana ny fitaovana enti-mampianatra:

Olona – Ny olona dia iray amin’ireo fitaovana lafo vidy indrindra ho an’ny mpitarika ny klioba. Maro ny olona no mifidy ho mpanao raharaha ilana fahaizana manokana na raharaha manokana atao antom-pivelomana, ary maro amin’izy ireny no tena vonona tokoa hizara ny fahaizany. Tokony ary azo ampiasaina hampianatra taranja iray voafantina ny dokotera, ny enjeniera, ny mpitsabo mpanampy, sy ny mpivarotra.

Mety afaka ny hahita mambran’ny fiangonana na fikambanany izay manana fahalalana manokana mikasika ny lafim-piainana sasantsasany ny mpampianatra, ohatra : momba ny olana eo amin’ny fiaraha-monina, ny natiora … Ny sasany mety manana fialam-boly na mahay asa tanana, mety mahaliana, izay azony zaraina. Mety misy olona hafa nifidy handinika lafim-pianarana manokana ka mety haniry ny hizara izany amin’ny kilasy manokana, ohatra : tantaram-piangonana, ny firaisana ara-nofo sy ny fisakaizana (fiarahan’ny lahy sy ny vavy), ny foto-pampianaran’ny fiangonana sy ny sisa …

Tena fitaovana lafo vidy tokoa ireny olona ireny! Famelabelarana mivantana ataon’ireny olona manam-pahaizana manokana ireny dia mety hahomby indrindra ary hanampy ny kilasy. Kanefa, tokony tsy hohadinoan’ny mpampianatra fa na kasety na CD na video sy fitaovana haino aman-jery hafa dia hanampy hanatrarana ny tanjona raha toa ka tsy afaka mankeo mivantana ilay olona.

Toerana – Maro ireo toerana tsara dia tsara azo ampiasaina atao lakilasy, any amin’ny toerana manodidina akaiky ny klioba. Ny sekoly ambaratonga I sy II dia mety ho afaka hanolotra fanampiana. Ny sekoly ambaratonga III matetika dia manana trano kely fitehirizana fanaovana fikarohana. Mety azo ampiasaina koa ny klioba manokana, ny trano famakiam-boky, ny hopitaly, ny tranom-panjakana sy trano fiofanana manokana.

62

Page 63: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

Afaka hanampy ny mpampianatra manao famotopotorana ihany koa ny trano fampirantiana asa tanana sy ny foibe ara-kolontsaina. Ny saha fitsangatsanganana, ny zaridaina, ny trano fanaovana taozavatra, ny biraon’ny fizahan-tany dia tena fitaovana tsara azo ampiasaina, izay tena zavatra hahazoan’ny kilasy fahombiazana.

Fitaovana – Tokony hoeken’ny mpampianatra ny tombambidin’ny pejy voasoratra. Ny boky aman-gazety angamba no loharanom-pahalalana sy sary akaiky azo raisina indrindra ; ny boky gazety sy ny gazety (tsy miseho isan’andro koa dia tena zava-dehibe tokoa eo amin’io lafiny io.

Mamim-bahoaka sy manana tombambidiny eo amin’ny lafiny fampianarana ihany koa, ny video, ny kasety, ny CD, ny DVD sy ny Internet. Tokony hahafantatra ny zavamisy araky ny toetr’andro mikasika ny fikambanana mpanamparitaka video sy ny mpampindrana azy ireny ny mpampianatra, ary hifantina ny fitaovana mety mifanaraka amin’ny takian’ny taranja tsirairay sy ny tanjona hotratrarina amin’izany.

Ireo lafin-javatra mahakasika ny fisafidianana ny loharanom-pitaovana:

Misy lafin-javatra maro tokony hojerena rehefa mifidy ny fitaovana ho amin’ny kilasy iray na ny lohahevitra iray :

Ny toerana – Ny toerana izay anaovanareo fivoriana ara-potoana hanatanterahana ny programa dia misy ifandraisany eo amin’ny fisafidianana ny fitaovana. Raha toa ka toerana lehibe sy malalaka feno efitrano marobe no ivorianareo dia ho azo atao ny mampiasa karazam-pitaovana sasantsasany izay mety tsy hahomby raha anaty efitrano kely sy be olona. Raha toa ka tsy azo atao ny manamaizimaizina ny efitranonao handefasana sarimihetsika dia tsy zava-dehibe intsony izany fitaovana izany. Etsy ankilany kosa, raha misy sarimihetsika iray izay tena ilaina tokoa amin’ny fampianaranao dia tsy maintsy ilainao ny hitady toeram-pivoriana iray mifanaraka amin’izany toe-javatra izany.

Zava-dehibe ihany koa ny hijerena ny lafiny fiarovana ao amin’ny efitranonao, sy ny hahitana na malalaka tsara sy azo antoka tsara ilay toerana raha ampirimana ny fitaovana.

Isan’ny mpandray anjara (mpianatra) – Ny isan’ny mpandray anjara eo ambanin’ny fikarakaranao koa dia hisy fiantraikany eo amin’ny isan’ny fitaovana ampiasainao sy ny karazany. Raha vitsy ny mpianatra ao amin’ny kilasinao dia tsy hilainao ny hampiasa fitaovana marobe tahaka izay mety ilainao raha lehibebe ny kilasinao. Kanefa tena zava-dehibe tokoa ny fiovaovana sy ny famoronana koa ilainao ny hanolotra fanandramanao voavao arak’izay tratra, ho an’ny kilasinao.

Fari-pahalalana sy traik’efa – Raha toa ka notendrena hampianatra kilasy iray ianao dia hitaratra ny traik’efa anananao eo amin’ny lafiny fampianarana ny safidinao sy ny fifantenanao ny fitaovam-pampianarana. Raha toa ianao ka mpampianatra vaovao dia mety tsy tena hitanao marina izay hanombohana! Mety ilainao ny hiantso mpampianatra manana traik’efa bebe kokoa sy hangataka torohevitra sy fanampiana avy aminy. Angataho izy amin’ny maha lorananom-pitaovana azy, mba hanome anao sasantsasany. Mety hahita mpampianatra any an-tsekoly izay afaka hanampy anao hifantina fitaovana ianao.

63

Page 64: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

Fananganana fitehirizana fitaovana

Amin’ny maha-mpampianatra anao, rehefa hitanao ny lafin-javatr hodinihina manokana, dia azonao atao ny manangona toerana hitehirizana ny fitaovana izay azonao hitarina isaky ny mahita zava-baovao ianao. Soraty izay hevitra hitanao dia ampirimo tsara izany. Rehefa mahita boky iray izay eritreretinao fa zava-dehibe ianao dia angataho ny klioba misy anao mba hividy azy ho anao. Soraty daholo ny lohatenina sarimihetsika tsara hitanao, sy mpiteny henonao, ary kilalao filalaovanao. Na dia mety tsy azonao ampiasaina avy hatrany aza io fitaovana io dia mety hilainao izany amin’ny fotoana iray. Fomba fanao tena sarobidy ny fitehirizana zavatra tsara sy hevitra tsara.

D. Fananganana fanompoam-pivavahana 55 mn

Ao anatin’ny fon’ny kristiana tsirairay dia misy fifandraisana, dia ny fifandraisana amin’i Jesosy Kristy. Matetika izany fifandraisana izany dia hambara amin’ny fomba fiderana, matetika miaraka amin’ny gropin’olona izay manana eritreritra mitovy momba an’i Jesosy. Antsoina hoe fotoam-pivavahana izany, satria mikasika ny filan’ny olona ho velombelona sy ho mailamailaka izany. Hanome vidiny sy hankafy ny fandraisany anjara ao anatin’ny fiankohofana sy fankalazana ny mpandray anjara rehefa tsapan’izy ireo fa nisy ezaka natao hahatonga izany hahafinaritra sy hisy dikany.

Ny fotoam-pivavahana mahafinaritra dia mahakasika lafin-javatra lehibe roa – toe-tsaina sy fitiavana karokaroka

1. Fametrahana fomba fijery tsara eo anatrehan’ny fotoam-pivavahana.

Ilain’ny tanora ny hianatra zavatra hafa ankoatry ny zava-misy sy ny fahaizana, ilain’izy ireo ny hampitombo toe-tsaina mahasalama. Mamaritra tokoa ny zavatra ianaran’ny tanora ny toe-tsaina. Tsy ny fanirian’ny olona iray hianatra ihany no voafaritra amin’izany fa ny fomba hampiasana ny fahalalana. Koa satria ny tanjon’ny mpampianatra dia ny hanolotra fahalalana izay azon’ny tanora hampiasaina ary hohampiasainy dia tena zava-dehibe mihitsy ny firehana manokana ny amin’ny toe-tsaina.

Antony maro no mahatonga ity fananganana toetra tsara ho tena zava-dehibe amin’ny mpampianatra :

) Tsy azo atao ny hanery olona iray hianatra na inona na inona raha toa ka tsy te hianatra izy.) Na dia mianatra sy mahita zavatra lehibe aza ny olona dia ho very ny fitiavana hanita- pahalalana raha toa ka tsy mifoha ao aminy ny toetra tsara. Ny safidy eo amin’ny fiofanana arak’asa dia miankina amin’ny toe-tsaina tsara Ny fampiharana ny hevitra amin’ny ankapobeny dia miankina amin’ny fananana fijery

tsara. Hitarafana ny fahatsaran’ny mpampianatra sy ny klioba amin’ny ankapobeny ny toe-

tsaina tsara.

Ny fomba fototra hanampiana ny olona hampitombo ny fijeriny tsara mikasika ny fotoam-pivavahana dia ny fanolorana fanandramana mahafinaritra amin’ny fianarana ny momba an’Andriamanitra, sy ny tenany, ny tontolo iainany ary ny fiangonany. Isika rehetra dia vonona hanome an-tsitrapo fotoana, ezaka ary vola ho an’ny fihetsehana mahafinaritra antsika. Sorohantsika ary ailintsika ny zavatra izay tsy mahafinaritra.

64

Page 65: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

Ny tena fihetsiketsehana mahafinaritra antsika matetika dia izay hahitantsika fahombiazana sy hahazoantsika aina ary mitondra antsika hifanerasera amin’ny olona tiantsika. Mazava ny asan’ny mpampianatra amin’izany ! Tokony ho fotoana mahafinaritra ny fotoam-pivavahana – fotoana mamela fahatsiarovana tsara.

Ankoatr’izay dia tsy maintsy zava-misy marina fa tsy sarisary fotsiny ny fijerin’ny mpampianatra ny fotoam-pivavahana ho fotoana lehibe, misy aina (velombelona) ary manana tombambidy. Tsy maintsy be fangorahana sy azo ifankazahoana tsara ny mpampianatra eo anoloan’ny mpianany ; tsy maintsy lehibe tsara ny fahalianany hianatra ; ary ny faharisihany hampianatra dia tsy maintsy avy amin’ny fony marina tokoa. Raha toa ny fijery sy ny fahalianan’ny mpampianatra kelikely sy tsy dia tsara noho ny an’ny mpianatra na mitovy amin’ny azy dia tsy hisy hiteraka fahavitrihana (hanome aina), kanefa ny fotoam-pivavahana tena izy dia mitaky fahavitrihana

Hianatra ny hanangana fotoam-pivavahana misy heriny kokoa sy hampitombo fijery tsara mikasika ny fotoam-pivavahana ny mpampianatra amin’ny:

Fametrahana ny tombambidin’ny karazana fotoam-pivavahana. Amin’ny fahazoana tsara ao an-tsaina ny votoatiny, ny lohahevitra ary ny teboka ifantohany dia Andriamanitra

Famelomana ny fahalianana eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fanompoam-pivavahana. Fanomezana fotoana sy toe-javatra azony hikarohana hevi-baovao ; atao izay hampanandanja ny fotoam-pivavahana tsirairay ho an’ny mpandray anjara, omena fanontaniana mivelatra sy olana izy hosaintsaininy sy hovoaboasany.

Famelomana fahatokiana sy fitokiana an’Andriamanitra. Meteza ho olona azon’ny olona ekena sy iriny hiara-miasa ; miasa amin’ny faharetana sy fahatsaram-panahy mba hahatonga ny fotoana niarahana ho misy dikany sy mahomby.

Fanaovana ny fotoam-pivavahana ho fahafinaretana. Ampiasao ny fitaovana mba hahazoana tsara izany ; mampiasa karazana fitaovana sy fomba samihafa izay hahatonga ny mpianatra handray anjara amin’ny fikarokarohana sy ny fanadihadihan-kevitra.

Famelomana fanajana ny fotoam-pivavahana. Tsindrio tsara ny fotoana sy ny zavatra atrehin’ny tsirairay mandritra ny fotoam-pivavahana; sorohy ny fanasaziana na fanalam-baraka raha mbola ao anatin’ny fotoam-pivavahana.

2. Famoronana zava-baovao ao amin’ny fanompoam-pivavahana

Manome toe-javatra tokana azo hararaotina hamoronana zava-baovao sy hikarokarohana ny fotoam-pivavahana. Mametraka ny fifandraisana ho eo afovoany izany, ary tsy hita isa ny fomba hanatanjaka sy hahalalina izany fifandraisana izany. Ho hitan’ny mpampianatra ny fahatsarana sy ny fifaliana eo amin’ny fotoam-pivavahan’ny klioba raha toa izy ireo omena fahafahana mikarokaroka sy mamorona fihetsiketsehana.

Azon’ny mpitarika atao ny mamporisika ny mambra hanao fanadihadihana sy fikarohana amin’ny fanomezana azy ireo ny fitaovana, ny lohahevitra, ny zavatra hovakiana sy ny kilalao, sy ny sisa … Ny fahitana vaovao eo amin’ny fifandraisan’ny tsirairay amin’Andriamanitra dia tokony hankasitrahana sy hamporisihina. Matetika ny mambra dia mila fotoana sy nila mitokana kely mba hahafahany mamoaka ny fahaizany mikaroka, ary ny fahafahana manao asa sy mamoron-kevitra amin’ny fomba mahaleo tena dia tokony homena amin’ny fotoam-pivavahana arak’izay azo atao. Tena zava-dehibe ihany koa ny hahatonga ny “rivotra iainana” hanome ho an’ny tsirairay fahatsapana fa ny toetrany dia tombanan’ny mambra hafa ao amin’ny gropy sy ny mpampianatra ary mahatoky tanteraka ny fifandraisany amin’ny hafa izy eo amin’ny fahasamihafany sy famoahany ny heviny.

65

Page 66: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

Raha toa ka omena lesona be sy fitsipika be fotsiny ny ankizy amin’ny fotoam-pivavahana, dia tsy tokony hanantena hahita toe-tsaina tia karokaroka eo aminy ny mpampianatra. Raha toa ny mpampianatra mieritreritra fa vahaolana iray ihany ho an’ny olana iray na fomba iray ihany no azo anoritsoritana hevitra iray, dia ho kely na tsy hisy ny antony handrisika azy ho tia karokaroka. Ireto fahamarinana momba ny fampianarana manaraka ireto dia mendrika ny hojerena rehefa manao planina amin’ny fanompoam-pivavahana. Ilain’ny mpampianatra ny mandinika raha toa ka :

Mikaroka hevitra amin’ny alalan’ny fisaintsainana, amin’ny famahana olana, fanandramana traik’efa vaovao, sy ny fanadihadihana ny mpianatra

Amporisihina tokoa ny mpianatra hametraka fanontaniana, hifanakalo hevitra amin’ny olona manana hevitra hafa izy, ary hanolotra hevi-baovao ho an’ny mpiray kilasy aminy.

Amporisihina hanohana valinteny, fanambarana ary fomba fiasa ny mpianatra. Manana fitaovana, fanehoana an-tsary ary tanjon’ny lesona ny mpianatra, mba

hanatsarany ny fahatakaran’izy ireo hevitra iray. Maneho faharisihina eo anatrehan’ny mambran’ny kilasy sy ny hevitra samihafa

ananan’izy ireny ny mpianatra.

3. Toerana sy fotoana anaovana fanompoam-pivavahana

Miseho amin’ny toerana sy toe-javatra maro ao anatin’ny programan’ny klioba ny fotoam-pivavahana. Fanaovana zavatra miovaova, tsy manam-paharoa, manokana sy mahafinaritra dia tsy ho mora foana akory izany ; ary mety tsy ho moramora mihitsy aza ! Tena ilaina tokoa ny mpampianatra sy mpitarika manolo-tena izay ho vonona hanao izay rehetra azo atao hahatonga ny fotoam-pivavahana ao amin’ny klioba ho fotoana mahafinaritra sy manan-danja indrindra.

4. Maneho fitiavana mamoron-javatra eo amin’ny fanomanana ny fotoam-pivavahana

Maro ireo fahamarinana tokony ho ao an-tsain’ny mpampianatra rehefa manomana fotoam-pivavahana:

Raiso ny fihaikana ny mba hanao zavatra miavaka amin’ny efa mahazatra. Raha toa ka nanaraka modely iray ny fotoam-pivavahana hatrizay dia manandrana fomba hafa hanehoana iny fitaovana iray iny. Ovay ny filaharan’ny fizarana. Tombano ny halehiben’ny fizarana tsirairay ary mitadiava fomba tsaratsara kokoa hizarana ny hevitra.

Mahaiza maka sary an-tsaina. Alaivo sary ao an-tsaina ny antsipirian-javatra rehetra mikasika ilay tantara tiana hotantaraina – ny antsipirian-javatra mikasika ny fotoana, ny toerana sy ny olona, sy ny sisa. Ataovy sary ao an-tsaina ny fihetseham-po, ny rivotra iainana, ny tahotra, ny fifaliana. Velombelomy hatrany ny toe-javatra ary andramo hoentina amin’ny fotoam-pivavahana ataonareo ireny fihetseham-po ireny. Asehoy amin’ny alalan’ny tantara kely an-tsehatra, amin’ny fihetsika tsy miteny, amin’ny mozika sy ny fomba fiakanjo ny zava-misy.

Jereo amin’ny lafiny samihafa ilay hevitra ! Anontanio foana hoe ahoana, oviana, taiza, nahoana, ary inona no voalaza sy tsy voalaza. Mitadiava zavatra mirazotra aminy, ovay, diniho akaiky, ary alamino. Hevitra iray hatrany hatrany raisina ary haraho hatramin’ny farany iny. Avy eo dia atambaro avokoa ny zava-drehetra.

66

Page 67: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

Omeo fotoana handraisana anjara. Tokony handray anjara ny tsirairay, ary ny fanompoam-pivavahana dia tokony handraisan’izy ireo anjara betsaka arak’izay azo atao.

Manaova fampiharana momba ny fotoana ankehitriny. Amin’ny “anio” no hitenenan’ny fotoam-pivavahana. Ilain’ny olona ny miatrika ny fotoana ankehitriny, ary ny fotoam-pivavahana rehetra dia tokony misy hifandraisany amin’ny ankehitriny.

Ireto fitaovana voafantina manaraka ireto dia manome hevitra sasantsasany ho an’ny fotoam-pivavahana mifandimby. Mety ary tokony hamoaka hevitra ao an-tsainao ho amin’ny fomba lehibebe kokoa hanamboarana fotoam-pivavahana arak’izay tokony ho izy izany.

MARIA

Toko sy andininy: Lioka 7:36-50

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA

1. Araka ny hevitrao, nahoana i Maria no nanao izao ? Inona no fihetsika nasetrin’ny olona izany ?

Araky ny hevitrao dia nanao ahoana ny mety ho fihetsehampony rehefa nanomboka nijery azy ny olona rehetra ? Sy rehefa avy niresaka taminy i Jesosy ?

2. Nanana laza ratsy i Maria. Araka ny hevitrao, nety nanampy azy hiatrika ny vahoaka ve ny tenin’i Jesosy ?

3. Milazalaza momba ny famelankeloka ity lahatsoratra ity. Inona no ifandraisan’ny famelan-keloka sy ny fitiavana ? Moa tsy maintsy ny mitia ve vao afaka mamela heloka ?

4. Inona no ifandraisan’ny finoana sy ny famelankeloka ? Moa ny olona tsy manam-pinoana ve mety ho voavela heloka ?

FANOLORAN-TENA

Amin’ny fampiasana taratasy voatokana ho amin’izany dia manaova marika na sonia maneho fa ampahany amin’ny fitiavan’Andriamanitra ny famelankeloka ary asehoy ny gropy izany.

VOLOMBORONA IRAY

Ho an’ny mpanolotra :

Ilainao ny mikaroka volomborona iray. Mety hahita anankiray lava sy tsara tarehy ianao eny amoron-drano eny ; tsy maninona na somary vasobasoka sy mikorontana kely aza. Raha toa ka fotsy na maramara ilay volomborona dia mety ho irony karazamborona eny amoron-dranomasina irony izany. Raha toa ka kely sy boribory ilay izy dia mety ho volo avy eo amin’ny vatany izany ary raha lava na marani-doha izany dia mety ho volo teo amin’ny elatra na rambo. Raha toa ka tsy mitoetra eny amoron-dranomasina ianao fa any anaty hazo dia mety ho sarotsarotra kokoa ny hahita volomborona, ary mety tsy maintsy hanao irony fikarohana harena miafina irony ianao vao hahita iray.

67

Page 68: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

Fanolorana : Tena asa tanana mahavariana tokoa ny volomborona. Ny ornithologues (manampahaizana mandinika manokana momba ny vorona) dia milaza amintsika fa ny volomborona singany iray dia mety hanana fizarazarana maherin’ny 1.00.000 (eny tokoa, tena marina izany, iray tapitrisa). Ny singam-bolo tsirairay dia novolavolaina manokana hitana anjara asa manokana eo amin’ny fiainan’ny tompony dia ny vorona izany. Ny sasany dia tena ilaina amin’ny fanidinana, ny sasany amin’ny fijerena ny hafanana, ny sasany hanalana ny hamandoana, sy ny sisa. Ny volom-borona tsirairay dia mifandray amin’ny rafin-kozatra izay manara-maso ny toerany amin’ny fotoana rehetra. Ny tena marina, ny zavatra rehetra mikasika ny vorona iray dia fanehoana mahatalanjona asa tanana lehibe. Tsy avelan’Andriamanitra handehandeha ho azy araky ny vitana ny fanomezana ireny vorona namantsika ireny ny zavatra ilainy eo amin’ny fiainany. Tsy mitsahatra ny mahita zava-baovao eo amin’ny toe-batana sy ny fihetsiky ny vorona ny ornithologues, izay manondro irery ihany ny filàna ilay Mpamorona izay tena mikarakara.

Nisy mpaka sary iray izay tsy dia mahalala firy mikasika ny vorona, naniry haka sary zana-boro-dranomasina iray, koa lasa izy nankany amin’ny tranomborona iray tery amin’ny harambato tery amoron-dranomasina, ary na dia eo aza ny fiarovana mafy ataon’ilay ray aman-drenin’ilay vorona dia natao izay hahazoana ilay zana-borona avy tao amin’ny tranony mba hametrahany azy amin’ny toerana iray noheveriny fa hahazoana sary tsara ary tsy ho voaelingelin’ny vorona lehibe. Rehefa avy naka sary izy dia tapa-kevitra ny hamerina ilay zana-borona ao amin’ny ankaniny. Saingy, satria efa voavolavola tao anaty tanana ilay zana-borona dia niova ny fofony, ary tsy vitan’ny hoe tsy fantatr’ilay renimborona intsony ilay zanany, fa noheveriny ho mpisandoka ka dia niadiany ! Tsapan’ilay mpaka sary ny hadisoany, koa dia novonjeny ilay zana-borona ary nentiny nody.

Nomanina tsara hatao akany ny boaty iray, nasiana lamba tsara tarehy sy malefaka. Avy teo dia nitondra trondro iray ilay lehilahy saingy tsy nohanin’ilay zana-borona izany. Ary na inona na inona nataon’ilay lehilahy dia tsy nety nanokatra ny vavany ilay vorona ! “Angamba tokony vavam-borona ihany no ampiasaiko namahanana azy, toy ny ataon’ny reniny” hoy izy tao an-tsainy. Koa dia nandrafitra vavam-borona tamin’ny hazo izy ary dia nasiany teboka menamena teo amin’ilay izy mitovy amin’ny an’ny vorona lehibe mihitsy.

Rehefa hitan’ilay zanaborona ilay vavamborona misy teboka dia avy hatrany izy dia nandondona teo amin’ilay teboka mena tamin’ny alalan’ny vavany ary dia nisokatra avy hatrany izany. Ary dia azon’ilay mpaka sary natao ny namahana ilay vorona efa noana mafy, izay trondro rehetra azony ! Tena mahaliana e ! Sa ahoana ? Mitondra karazana sakafo tsara maro ho an’ny zanany ny renim-borona, saingy tsy manery azy ireo hihinana izany izy. Tsy maintsy mangataka (mandondona) ireo, izay vao mahazo ny sakafo rehetra ilainy.

Niteny tamintsika Jesosy mba “hangataka fahitana ara-panahy avy amin’ny Raintsika any an-danitra ; homeny anareo izany. Mitadiava fitahian’ny laniatra fa ho hitanareo izany ; rehefa mandona amin’ny varavaran’ny Rainareo any an-danitra ianareo, dia hovohany ho anareo ny trano fitehirizan’ny lanitra rehetra”. (Mat.7.7). Hitanareo tsy manana afa-tsy ny tsara indrindra ho antsika tsirairay Izy, saingy tsy hanesika izany ao am-bavanao Izy ; tsy hanery anareo handray zavatra tsy ilainareo izy. Tsy maintsy mangataka ianareo – “Dondony”, hoy Izy. Fantatry ny zana-borona fa misy toe-javatra tsy maintsy raha toa ka mila sakafo izy ireo. Asehon’Andriamanitra antsika koa ny zavatra tokony hatao mba hahazoantsika mandray. Hoy Izy : “Raha misy mangataka fahendrena na zavatra haf amin’Andriamanitra dia aoka hangataka amin’ny finoana izy fa tsy hiahanahana akory ; fa izay mino fa mihaino ny vavaka ataony Andriamanitra ; nefa miahanahana indray avy eo dia toy ny alon-dranomasina entin’ny rivotra ka atopatopany” (Jakoba 1.6). Marina tokoa, nefa

68

Page 69: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

na dia tsy manery antsika na amin’inona na amin’inona aza Izy, tsy hoe mijoro fotsiny eo izy mitazona ny sakafom-panahitsika, ary tsy miteny na inona na inona ! Ao amin’ny Apok.3:20 dia izao no lazainy, “Indro efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondona ; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana dia hiditra ao aminy Aho, ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko”. Miaraka amin’ireo fihetsiketsehana mahafinaritra ataontsika eto amin’ity lasy ity dia ho faly indrindra isika tsirairay raha toa ka mifidy amin’ity faran’ny herinandro (week-end) ity hamela an’Andriamanitra, Mpamorona antsika, ho isan’ny ampahany lehibe indrindra eo amin’ny fiainantsika.

LAZAROSY

Toko sy andininy : Jaona 11.1-6 , 32-44

Fanontaniana hifanakalozan-kevitra

Navelan’i Jesosy ho faty i Lazarosy mba hanehoana ny voninahitr’Andriamanitra. ahoana no hetezan’izany ? Ahoana no hanehoana ny voninahitr’Andriamanitra tamin’izany ?

Araka ny hevitrareo, mba ahoana re ny fihetseham-pon’i Lazarosy, hoe izy efa maty, dia mbola nandehandeha teny anivon’ny olona teny indray ?

Ahoana ny anampian’ity tantara ity amin’ny fanaisorana ny “tahotra” eo anatrehan’ny fahafatesana ?

Inona amin’ity resaka maty ity no tena mampahatahotra ny olona ? Araka ny hevitrao, mbola matahotra kokoa ve ny olona ankehitriny mihoatra ny tamin’ny dimy taona lasa ?

Mahafantatr’olona efa teo ambavahoan’ny fahafatesana ve ianao nefa hita fa tena novonjen’Andriamanitra ? (Tantarao ny mambran’ny gropy ny momba izany). Mahafantatra olona, mety ho namanao akaiky, efa nopahon’ny fahafatesana ve ianao ? Araka ny hevitrao, moa tia azy ireny tahaka ny hitiavany antsika velona ve Andriamanitra?

Inona no lainga tian’i Satana hinoan’ny olona mikasika ny fahafatesana sy ny fitiavan’Andriamanitra ?

Fanoloran-tena

Manorata tononkira na tononkalo momba ny fitiavan’Andriamanitra sy ny fahafatesan’ny olona. Na, mamorona petadrindrina lehibe na manorata vavaka manokana amin’ Andriamanitra ho an’ny olona iray izay marary ka efa akaiky ho faty, na ho an’olona manokana.

Misaotra, Tompo, noho ny Zavaboahary

Misy toko sy andininy maro milaza momba ny zava-boaharin’Andriamanitra. Afaka mahita sasantsasany amin’ireny ve ianao ? (oh : Sal.19:1-6 ; Sal.104 ; Joba 38:16-41 ; Jaona 1:1-3 ; Gen 1, … sy ny sisa)

69

Page 70: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

Tsy azo vinavinaina ao an-tsaina mihitsy ity tany ity tsy misy izao zava-boahary rehetra manodidina antsika izao. Ny olana dia tsy mahalala na inona na inona isika ! Tantarao ny fiheveranao ny nisian’ny famoronana. Araka ny eritreritrao, nahoana no tahak’izao no nanaovan’Andriamanitra azy ?

Ny Rom.1:20 dia milaza amintsika fa ny zavatra rehetra ilaintsika ho fantatra momba an’Andriamanitra sy ny toetrany dia hita eo amin’ny natiora. Inona no zavatra azonao lazaina momba an’Andriamanitra avy amin’ny natiora ? Inona no porofo hita ao amin’ny natiora hilazana fa misy zavatra tsy mety ao ? Inona no zavatra nitranga ?

Inona amin’ny zavaboahary manodidina anao no tena hahatsapanao tena akaikikaiky kokoa an’Andriamanitra ?

Renirano mikorianaOny manonjanonjaTendrombohitra avobeNy alaNy ranomasinaNy lemakaHafa _________________Nahoana ???

Fisafidianana izay zavatra hatao :

Mianara lesona momba ny natiora ary zarao amin’ny gropinao izay zavatra voarainao.

Jereo ny manodidina anao ary tadiavo eo amin’ny natiora izay manambara aminao ny fitiavan’Andriamanitra. Manaova zavatra manokana momba izany.

Manamboara peta-drindrina hampiasana fitaovana, taratasy, lakaoly ……..

Manaova gazety bokikely na trakta na ny mitovy amin’izany ho fahatsiarovana ny fankasitrahanao an’Andriamanitra noho ny fanomezana tsara tarehy eo amin’ny natiora

Mahafantatra an’Andriamanitra

1. Ho fampidiran-dresaka dia miresaha olona iray tena fantatrao tsara (vady, sakaizakely, iray tampo, havana …). Lazalazao amin’ny antsipirihiny ny momba io olona io.

2. Asaivo manoratra amin’ny taratasy ny tsirairay ao amin’ny gropy ary asaivo tantarainy ao ny momba olona iray tena fantany tsara mihoatra ny hafa. Avy eo dia asaivo mifampizara.

3. Ataovy lisitra eto ny fomba hifankahalalan’ny olona roa :a. _____________________________________________________________________b. ____________________________________________________________________d _____________________________________________________________________e. ____________________________________________________________________f. ____________________________________________________________________g. ____________________________________________________________________

70

Page 71: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

4. Ampitahao amin’ny fomba hahafantarantsika an’Andriamanitra io lisitra ambony io. Mifanakaloza hevitra

_________________________________________________________________________________________________________________________________________d _________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________

5. Anontanio ny gropy hoe nahoana isika matetika no minia tsy te hahalala na hifandray amin’ilay olona manan-kaja indrindra eto amin’izao tontolo izao ?

Manorata hevitra hafa ho amin’ny fotoam-pivavahana.

Misaotra Tompo fa ho avy tsy ho ela Ianao

Toko sy andininy : Jao 14:1-31 ; 1 Tes.4:13-18 ; Asa 1:10,11

Hifanakalozan-kevitra:

1. Azonao sary an-tsaina ve izany hoe Jesosy ho avy indray izany ? Araka ny eritreritrao, manao ahoana re ny fitrangan’izany e ? Azonao lazaina amin’ny namanao ve hoe boky inona tao amin’ny baiboly no nanovozanao ny fahalalanao?

2. Fa maninona Jesosy no hisahirana ho avy indray ? Moa voatery hanao izany ve Izy ? Maninona anefa raha ravany any ny zavatra rehetra dia mamorona hafa vaovao indray ?

3. Izao no heverinao ho tena miandrandra fatratra indrindra ny fiavian’i Jesosy ?a. Ny mararyb. Ny jamba sy ny mareninaNy manankarenaNy mahantraIreo olona manana havana na namana efa matyIreo olona tia Azy indrindraIreo rehetra voalaza etsy ambony

Amarino ny valinteninao ???

4. Rehefa miteny hoe “fiaviany Fanindroany” isika dia midika izany fa misy ny fiaviana voalohany. Oviana izany, ary inona no antony nahatongavany ? Fa naninona Izy no tsy nijanona ? Dia ahoana ilay voasoratra hoe : “Tsy handao anao na hahafoy anao mihitsy aho” ?

5. Niresaka momba ny fahavononana amin’ny fiaviany i Jesosy. Inona no tokony hataontsika mba hahavonona antsika ? Azontsika atao ve ny nahazo antoka fa vonona isika ?

71

Page 72: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

Fanoloran-tena :

Mety samy te handray anjara amin’ny fanaovana peta-drindrina avokoa ny patrouille (tarika) tsirairay. Koa mba hahazoana sarin’ny lesona rehetra dia tsara raha atao toy izao manaraka izao :Tarika 1 : Ny fahaterahanyTarika 2 : Ny fiainanyTarika 3 : Ny fahafatesanyTarika 4 : Ny fitsanganany amin’ny maty (fihaviana voalohany)Tarika 5 : Ny fomba fiainan’ny olonaTarika 6 : Ahoana hoy ny mpanao ratsyTarika 7 : Ahoana hoy ny mpinoTarika 8 : Satana eo am-piasanaTarika 9 : Jesosy eny an-drahon’ny lanitra (ny fihaviana fanindroany)Tarika 10 : Ny fiakarany any an-danitra

E. Mampiroborobo ny toe-tsaina tia karokaroka eo amin’ny tanora amin’ny alalan’ny asa manavanana

1. Ny tanjona kendrena amin’ny fampianarana ny tanora ny asa manavanana (na grady)

Tanjona iray ihany no misy eo amin’ny asa manavanan’ny tanora advantista/Mpisavalalana dia ny hampivelatra ny fahalalana ara-tsaina, ara-batana ary ara-panahin’ny tanora na ny olon-dehibe.

Ny asa manavanana 16 voalohany teo amin’ny tanora advantista dia natomboka tamin’ny taona 1928 ; hatramin’izay dia 240 no efa nanampiana tamin’ny programa. Mianatra asa manokana ny mpianatra mba hahazoany fankasitrahana noho ny fahalalany sy ny fahaizany ary ny fahaiza-manao eo amin’ny fiainana. Eo amin’ny fiomanana amin’ny fandraisana ny grady dia miatrika fotoam-pifaliana amin’ny alalan’ny fikarokarohana sy ny fanatanterahana zavatra manokana aloha ilay mpandray anjara sy ny gropy na ny tarika.

Ny asa manavanan’ny JA tsirairay dia natao hahazoana fahalalana ny lafiny fampiharana iray izay hanampy ilay tanora amin’ny fivelarany amin’ny maha kristiana azy ka mifandray amin’ny lafiny ara-piaraha-monina, ara-pihetseham-po, ara-batana ary ara-panahy eo amin’ny fiainany. Ny fianarana asa manavanana eo amin’ny JA dia tokony hanoro lalana olona iray hitia bebe kokoa an’Ilay Mpamorona azy any an-danitra sy hampitombo ny faniriana hanolotra ny fiainany ho amin’ny fanompoana an’Andriamanitra sy ny fiaraha-monina. Ny asa manavanana rehetra dia nokendrena hampitombo ny mpianatra azy “amin’ny fahendrena sy ny vatana ary handroso fitia eo imason’Andriamanitra sy ny olona”.

Nokendrena hanampy ilay mpianatra eo amin’ny fitomboan’ny toe-panahiny ny fianarana ny asa manavana, ary ny asa tsirairay dia mitaky fahaizana ambony amin’ny fanambarana mazava tsara ny asa tokony natao. Tokony hahaliana sy hahafinaritra no sady mampianatra ny fitiavana mamita andraikitra ny fanatanterahana izay takiana.

Ny fianarana asa anankiray eo amin’ny tanora advantista dia tokony hanolotra fomba mahafinaritra iray hianaran’ilay tanora momba ny manodidina azy na anitarany fahalalana na hanaovany traik’efa vaovao. Mety ho anisan’ny ianarana ao anatin’izany lohahevitra izany ny fialam-boly, ny zavatra mahaliana azy manokana, na fianarana asa vaovao mihitsy.

72

Page 73: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

Ny mpianatra tena liana amin’ilay izy ka tena feno fanoloran-tena dia mety hahavita ny fianarany asa iray ao anatin’ny telo volana latsaka.

Satria ny asa manavanana eo amin’ny tanora advantista dia singa ao amin’ny programan’ny fiangonana tokony hifanaraka amin’ny fahamarinana fototra iainan’ny fiangonana ny lafiny rehetra eo amin’ilay fianarana. Noho izany ny fiofanana eo amin’ny asa dia hisoroka ny fanaovana lohahevitra izay mitaky ny fanimbana zavamaniry na zavamanan’aina, na karazan’ireo fiarovan-tena mampiasa fitaovana na tsy mampiasa. Ny asa tsirairay koa dia tokony mahaliana ny be sy ny maro, ka sorohina ny hianarana taranja ho ana vondron’olona vitsivitsy eo amin’ny toerana kely iray.

Ny asa manavanana eo amin’ny tanora advantista dia manome fahaizana amam-pahalalana ho amin’ny tanora, amin’ny lafin-javatra maro. Matetika ny fianarana azy ireny dia mitarika ho amin’ny fitazonana izany ho asa fivelomana na farafaharatsiny fialam-boly mahasoa. Ny mpianatra sasany dia mihevitra fa ny asa manavanana eo amin’ny tanora advantista dia fianarana ; vinavinan-kevitra sy boky be fotsiny ; adinon’izy ireo anefa fa ny asa tsirairay dia mifototra amin’ilay fomba fitenenana hoe : “Lesona kely eran’ny tanana ho an’ny faharetana 16 tanana”.

2. Mizaha sy mamoha ny zavatra tian’ny tsirairay sy ny fitiavany karokaroka

Nandritra ny taona maro ny programan’ny Filoha Mpitarika dia nanokatra lalana ho amin’ny fitarihana ny klioban’ny mpisavalalana ; arak’izany dia nanjary iray amin’ireo andry roa fototra eo amin’ny taranja hianaran’ny mpisavalalana ny asa manavanan’ny tanora advantista. Na dia mifantoka tanteraka ho an’ny klioba aza ireo dia tsy natokana ho azy irery izany. Izay rehetra maniry ny hanitatra ny fahalalany amin’ny alalan’ireo programa roa ireo dia afaka manao izany.

Tena misy zavatra goavana azo atao tokoa eo amin’ity “asa manavanana” ny tanora advantista ity. Mba hahazoana mitrandraka ny tombotsoa rehetra avy amin’ity programa ity dia iankinan-javatra lehibe ny fampitoeran’ny direktoran’ny klioba mpisavalalana sy ny mpitarika tanora eo amin’ny fiangonana, ao an-tsainy ireto tolo-kevitra dimy manaraka ireto :

Fahamboniam-penitra – Amin’ny maha-mpitarika tanora anao dia asandrato aho avo hatrany ny asa manavanana ny tanora advantista. Eny no toerana tokony hisy azy. Aza manaiky asa zara raha vita, ary aoka ianao hanome ohatra tsara. Manana tombam-bidy avo dia avo ny asa manavanana eo amin’ny tanora advantista koa aoka hijanona ho amin’izany toerana izany.

Fianarana matotra – Amporisiho tsara am-pahamatorana, fa tsy ataotao foana, ny zavatra takian’ny asa manavanana eo amin’ny tanora advantista ny tanora. Ataovy mahaliana sy mahafinaritra ny mpianatra izany. Ataovy zavatra sady mahafinaritra no mahasoa izany. Mahita fahafinaretana ny tenanao eo amin’izany ary ampitao amin’izy ireo ny hafatra mba hampitoetra izany ao an-tsainy.

Zavatra tena mahaliana – Asaivo mikaroka zavatra hafa ankoatry ny voalazan’ny fitakian’ilay asa manavanana ny tanora advantista. Ampio zavatra hafa mety mahaliana ivelan’ny zavatra takiana. Ataovy izay hananan’izy ireo fahalianana amin’ny fanatanterahana izay lazain’ny fitakiana.

Fankasitrahana – Ataovy izay hahazoan’ny tanora mahomby haingana arak’izay tratra ny fanamarinana na/sy badges momba ny asa nanavanana azy, sady mendrika ny ezaka nataony.

73

Page 74: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

Safidy malalaka – Manaova fampisehoana asa tanana isan-karazany. Maro ny tanora no tsy mahalala akory ny fisian’ny asa manavanana iray na ny hatsaran’ilay izy raha tsy mahita fampisehoana momba ilay izy. Misy kilasina asa manavanana valo (8) azo ianarana, izay mahasahana ny zavatra mahaliana ny tanora na ny lehibe.

Hanova ny klioban’ny mpisavalalana na ny gropin’ny tanora ho toeram-piasana mahaliana ny “asa manavanana” ny tanora advantista, ary afaka ny hianatra ny hanompo ny fiangonany amin’ny fomba maro ny tanora.

Fetran’ny fitakiana: maro ny ezaka natao hanombanana ny fitakiana rehetra eo amin’ny asa tsirairay, mba ho azo atao, afaka ampiasaina ary mifanaraka amin’ny toetr’andro ka azo raisina ho programa maneran-tany izany. Mety hisy anefa, na dia izany aza, fitakiana izay tsy mety amin’ny toerana iray manokana na tsy mety amin’ny olona anankiray … Rehefa mitranga izany toe-javatra izany dia aza tsoahina ilay fitakiana fa soloy anankiray mitovitovy aminy.

3. Fampianarana ny asa manavanana

Mitaky mpampianatra manam-pahaizana manokana ny asa sasantsasany. Amin’izay fotoana izay dia tsy maintsy ambany fanaraha-maso ataon’olona iray na maro izay hita mazava fa mahay mampianatra ilay taranja, ny fianarana rehetra. Voasoratra ao amin’ny boky taridalana momba ny asa manavanana avokoa ireo karazany ireo. Olona ao am-piangonana, na avy amin’ny sekoly, na eo amin’ny fiaraha-monina, izay manana fahaizana manokana momba izany, dia mety mampianatra. Raha toa ka tsy mambra io olona io dia tokony ampahafantarina azy tsara ny fomba fiainantsika, sy ny hevitra ary ny zavatra takiana rehetra tiana hampianarina. Misy kilasy ambony avokoa ny gradin’ny asa manavanana tsirairay, izay aseho amin’ny fametrahana kintana kely volafotsy eo amin’ny badge mifanaraka amin’izany. Ny olona mampianatra taranja iray koa dia afaka mametraka diamondra kely varahina eo amin’ny badge.

d. Fitoriana ny filazantsara ho an’ny ankizy sy ny tanora – 2 ora

TanjonaHampahafantarana ny mpandray anjara ny andraikitry ny fitoriana filazantsara ho an’ny ankizy sy ny tanora.Hamelabelarana bebe kokoa ilay fotokevitra amin’ny fanazavana fa ny asa fanompoana ny ankizy sy ny tanora dia tokony ho asa fitoriana ny filazantsara.

FanazavanaTakiana ny hanatrehan’ny mpandray anjara, seminera iray maharitra ora roa (izay karakarain’ny departemantan’ny tanora eo amin’ny saha), ary mikasika indrindra ny fitoriana filazantsara atao amin’ny ankizy sy ny tanora. Azo raisina ho ampahany amin’ny mari-pahaizana vaovao ho an’ny Filoha Mpitarika izany.

A. Fitoriana filazantsara ho an’ny tanora 25 mnB. Foto-pampianarana momba ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy Masina 40 mnD. Karazana programa fitoriana ny filazantsara eo amin’ny manodidina 40 mnE. Fitaovana sy loharanon-kevitra 15 mn

74

Page 75: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

Fahalalana azo ampianarina

A. Fitoriana filazantsara ho an’ny tanora 25 mn

Tanjona : hampahafantarana ny tontolo momba ny Fitoriana ny filazantsara ho an’ny ankizy sy ny tanora, ary amin’izay dia tsindriana manokana ny fandraisana ny asan’ny mpisantatra, ny mpisavalalana ary ny tanora amin’ny maha-asa fitoriana ny filazantsara azy.

- Famaritana sy ny votoatiny …..- Tanjona kendren’ny asa fitoriana …- Anaran’ilay asa fitoriana …- Fandraisana an-tsoratra ny andraikitrao sy ny tanjona kendrena amin’izany …

1. Fikambanana Mpisantatra

Fanambarana IRAKA

Ny sampan’asa mikarakara ny Mpisantatra ao amin’ny (anaran’ny saha) dia mikarakara asa fanompoana amin’ny lafiny rehetra ho an’ny ankizy 6-9 taona (grady _______) avy amin’ny toerana sy fiaraha-monina samihafa, sy ny ray aman-drenin’izy ireo ary ny mpitaiza azy ireo. Ny tanjon’ilay fandaharana dia hanampy ny ray aman-dreny sy ny mpitaiza amin’ny fitarihana sy famporisihina ireo zanany amin’ny fifandraisana am-pitiavana mitombo sy mahafaly amin’i Jesosy Kristy. Manolotra taranjam-pampianarana, sy loharanom-pahalalana fanampiny, fanatsarana ny ankohonana sy fanofanana mpiasa an-tsitrapo avy amin’ny foto-kevitry ny fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito izany.

2. Lasy fitoriana

Fanambarana momba ilay iraka :

Ny Mpikarakara ny Lasy Fitoriana ny Filazantsara ataon’ny Advantista (MLFFA) dia manome tontolo iainana kristiana voavolavola manokana hanamafisana ny fifandraisan’ny mpilasy tsirairay amin’Andriamanitra sy ny voariny amin’ny alalan’ny Soratra Masina, ny natiora ary ny fakan-drivotra.

∆ Foto-kevitra ijoroany :

Mino ny MLFFA fa eo amin’ny tontolon’ny lasy dia hametraka ny mpilasy sy ny vahiny amin’ny tontolo iray izay Kristy no ivony, izay mampivelatra eo amin’ny ara-tsosialy, ara-batana, ara-tsaina sy ara-panahy ny fianarana baiboly sy ny natiora anatin’ny tontolon-kevitry ny fifandraisana amin’ny ankapobeny sy ny fakan-drivotra.

∆ Tanjona :

Mba ho mpandray anjara mahatoky amin’ny asa sy ny fiainan’ny fiangonana Mba ho mpanompon’ny Filazantsara amin’ny fitoriana any ivelan’ny fiangonana sy ho

tonga loharanon-tsoa ho an’ny fiaraha-monina Mba hanolotra fandaharan’asa mifantoka amin’ny fitiavan’Andriamanitra mamorona sy

mamonjy

75

Page 76: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

Mba handraisana sy hanofanana mpiasa manokana hisahana ny asa sy ny fandaharana ao amin’ny lasy

Mba hametrahana ao anatin’ny mpilasy ny adidiny eo amin’ny fikarakarana ny tontolo iainana

Mba hikojakojana fitaovana azo antoka mandeha tsara ary tsy manimba ny tontolo iainana Hamporisihina fampiasana fitaovam-pifandraisana izay hahafahan’ny lasy rehetra

hifampizara loharanon-kevitra sy fahalalana. Mba hamatsiana fitaovana ivoriana ho an’ny seminera, ny convention sy ny fisintahana

ara-panahy karakarain’ny saha ho an’ny fiangonana sy ny sekoly eo an-toerana. Mba hamporisihana ny fanomezana mari-pahaizana ho an’ny talen’ny lasy sy taratasy

ofisialy hanekena ny hanaovana ilay lasy.

3. Fikambanana mpisavalalana

Fanambarana ilay iraka :

Ny fikambanana mpisavalalana ao amin’ny ( anaran’ny saha ) dia fikambanana eo anivon’ny fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito, natokana hanatanteraka ny filàna ara-piaraha-monina, ara-batana, ara-tsaina, ary ara-panahin’ny tanora zandriny amin’ny fametrahana eo amin’ny mpisavalalana fihaikana ny hanandrana fifandraisana manokana amin’i Kristy, sy fananana fitiavana hanatanteraka ny adidy aman’andraikiny, ary fahaizana maneho fanajana ny voarin’Andriamanitra ao anatin’izany ny olombelona tahaka azy.

∆ Tanjona :

Ny fikambanana mikarakara ny mpisavalalana dia mikendry ny hanome fahafaham-po ny filan’ny mpisavalalana hita sy miafina, mba hitarika azy ireo ho amin’ny fahaleovantena sy fahamatorana eo amin’ny finoana kristiana, haseho amin’ny fanapahan-keviny :

Handray an’i Jesosy Kristy ho Tompo sy Mpamonjin’ny tenany manokana Hisaintsaina ny toetra tsara anaty ananan’ny kristiana amin’ny fahamatorana eo

amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra sy eo amin’ny fitondrantena Maneho amin’ny hafa ny fahamarinana sy ny fahamasinana ary ny fahatanterahan’i

Kristy Fanehoana fahaiza-mitarika, afaka ary manana hery ho tonga mpiara-miasa feno eo

amin’ny asa fanompoana mavitrika sy tsy misy fitiavan-tena hanohanana ny asan’ny fiangonana.

Ny fotokevitra ijoroan’ny mpisantatra, ny mpisavalalana ary ny tanora zokiny dia mitaky ny mpitarika mba:

Hanampy ny tanora hahatakatra fa tia azy sy mikarakara azy ary mankasitraka azy ny fiangonana. Tokony ho fantatr’izy ireo fa tena ilaina izy ireo ao amin’ny programan’ny fiangonana manontolo.

Hilaza amin’ny mambran’ny gropy ny anjara omanin’Andriamanitra ho an’ny tsirairay amin’izy ireo sy hanitatra ny fahalalany momba ny anjaran’izy ireo eo amin’ny plana lehiben’ny famonjena. Hanampy azy ireo hanana faniriana hiaina arak’izay antenain’Andriamanitra amin’ny fiainan’izy ireo.

Hanofana sy handamina ny tanora ho amin’ny asa fanompoana mavitrika. Ampianaro azy ireo fa ny asa fijoroana ho vavolombelona dia tsy volavolan’asa atao indray

76

Page 77: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

isan-kerinandro na indray isam-bolana, fa tokony ho tafiditra ao anatin’ny fiainany andavanandro izany.

Hiasa ho famonjena ny olona tsirairayHahazo an-tsaina tsara ny tanjon’ny asa ampanaovin’Andriamanitra ny olona.

B. Foto-pampianarana momba ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy 40 mn

Naoty : Velabelaro ny momba ny foto-pampianarana mikasika ny fanomezam-pahasoavan’ny fanahy. Avelao ny mpandray anjara hahita izay fanomezam-pahasoavana manokana azy.

Tanjona :Hanampy ny mpitarika hiaiky fa samihafa avokoa ny olona rehetra na eo amin’ny toetra na amin’ny talenta ary manana toerana ho an’ny tsirairay Andriamanitra eo amin’ny asany.

Fanazavana :Samy manana talenta voajanahary sy fahaizana noratovona ny tsirairay, nefa Andriamanitra kosa dia nanome fanomezam-pahasoavana ho an’ny tsirairay. Ny mpitarika dia tsy mila fotsiny hahatakatra izay voalazan’ny baiboly mikasika ny foto-pampianarana momba ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy, fa tokony hanana fitaovana ihany koa izy, izay hahafahany hanampy ny tanora hamantatra ny fanomezam-pahasoavany ary hamporisihany azy ireo hampiasa ireny amin’ny fomba izay tsy hampifalifaly fotsiny ihany fa amin’ny fampivelarana amin’ny ara-panahy koa.

Loharanon-kevitra :Chruch Minstries/Personal Ministries “Inventory of Spiritual Gifts”

Inona no atao hoe fanomezam-pahasoavan’ny fanahy ?

Samihafa ve ny fanomezam-pahasoavana sy ny talenta ? Zava-dehibe ve ny mahafantatra ny faha-samihafany ? Mety hanampy ahy hamantatra ny fanomezam-pahasoavako ve ny fahaizako manavaka azy roroa ?Ny valin’izy ireo dia Eny ! Ary ny fahafantarana ny fahasamihafana eo amin’ny talenta sy ny fanomezam-pahasoavana dia mety ho iray amin’ireo lakile hahafantaranao ny fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra ho anao.

Andeha hoe jerentsika ilay talenta, na fahaizana ara-boajanahary. Ny fahaizana ara-boajanahary dia zavatra izay nanananao hatrany am-bohoka, toy ny toe-batanao. Na koa mety ho talenta nianarana tanatin’ny taona maro izany, toy ny filalaovana zava-maneno. Mety ho mahasoa na mampifalifaly ireny fahaizana voajanahary na talenta ireny. Kanefa manafosafo fotsiny ny ivelan’ny fiainana izy ireny. Ny fakany mikasika ny fifandraisana amin’Andriamanitra dia tsy voakitika. Tsy mandrakizay, fa mandalo ihany ny fiantraikan’ny talenta sy ny fahaiza-manao eo amin’ny olona. Ary tsy ilaina amin’ny fampiroboroboana azy ireny ny fitomboana ara-panahy.

Ny vehivavy iray izay manokatra matetika ny tranony hampisakafo vahiny sy hanaovana fivoriana dia tsy voatery hanana ny fanomezam-pahasoavan’ny fandraisam-bahiny. Nahoana? Satria zavatra roa lehibe no mampiavaka ny fanomezam-pahasoavan’ny fanahy amin’ny talenta voajanahary :

Ny antony manosika eo amin’ny fanomezam-pahasoavana dia mifototra amin’ny fitiavana an’Andriamanitra sy fitiavana ny taranak’olombelona. Tsy ny fitadiavana voninahitra ho an’ny tena na tombotsoa hafa mihitsy no manosika. Lazain’i Paoly fa mety ho

77

Page 78: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

tanteraka isika eo amin’ny fitenenana, eo amin’ny fahalalana, eo amin’ny finoana, nefa zava-poana izany raha toa ka tsy entanin’ny fitiavana (1 Kor.13:1-3).

Tsy mitovy amin’ny tanjona kendren’ny talenta voajanahary ny tanjon’ny fanomezam-pahasoavan’ny fanahy. Ny fanomezam-pahasoavana dia natolotra “hanasoavana ny rehetra”, “ho fanatanterahana ny olona masina, ho amin’ny asa fanompoana amin’ny fiangonana, ho amin’ny fampandrosoana ny tenan’i Kristy”. (1 Kor.12:7 ; Efes.4:12)

Ataovy ao an-tsaina io antony manosika sy tanjona io rehefa mikaroka ny hamantatra ny fanomezam-pahasoavana anananao ianao. Anontanio ny tenanao, “Inona no antony nanosika ahy ary inona no tanjona kendreko amin’ity zavatra ity?”. Ampatsiahivo ny tenanao fa ireo fanomezam-pahasoavana ireo no fototry ny asa manokana sy iarahana amin’ny rehetra eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra.

(Tsarovy ihany koa fa olona vitsy fotsiny no mety mahafantatra ny fanomezam-pahasoavana ananany eo amin’ny fanombohan’ny fanandramana kristiana. Mety mitaky fe-potoana iray na toe-javatra mifamahofaho vao hita mazava ny fanomezam-pahasoavanao. Maneke an-tsitrapo hametraka ny tananao amin’ny lafin-javatra vaovao. Amin’ny fampiasana azy amin’ny fanaovana zavatra iray marina no tena hahitana ny tena fanomezam-pahasoavana marina anananao)

Fanomezam-pahasoavana ao amin’ny fiangonana

Nanolotra fanomezana maromaro samihafa ao amin’ny fiangonana Andriamanitra, izay nomena antsika tsirairay avy hanaovana ny asa fanompoantsika.

Toko sy andininy telo fototra mikasika ny fanomezam-pahasoavana (FP) :Efes.4 : 7-13 ; 1 Kor.12:1-11, 28-31 ; Rom.12:1-8

Andalan-teny notsoahina avy tamin’ny boky nosoratan’i E.G. White momba ny FP :COL 327 : ny fananana ny fanomezana dia miankina amin’ny fandraisana ny fanahy9T 144, 145 : tsy azo avela hisakana ny firaisana ny fahasamihafanaGW 481 : ireo fanomezam-pahasoavana maro napetraka ao amin’ny fiangonanaDA 823 : tsy nozaraina ho an’ny mpino tsirairay ireo rehetra ireoCOL 328 : na ny mpino mahantra indrindra sy tsy manam-pahaizana indrindra dia mety hahazo fanomezam-pahasoavanaCOL 327 : nampanantenaina ny mpanompon’i Kristy rehetraEv 256 : lohahevitra tsy dia raharahiana loatra matetika6T 291-293 : firaisana sy fiaraha-miasa tena iankinan-javatra eo amin’ny fampiasana ny fanomezam-pahasoavana

Famaritana ny atao hoe fanomezam-pahasoavana:Ny Fanomezam-pahasoavana (FP) iray dia fahaizana manokana nomen’ny Fanahy Masina ho an’ny mambran’ny tenan’i Kristy iray izay hahafahana hiasa am-pahombiazana, am-pifaliana amin’ny fanampiana ny fiangonana hanatanteraka ny asa nanirahana azy teto an-tany.

Aza afangaro:Ny FP sy ny talenta voajanahary : -- Ny olona rehetra, na kristiana izy na tsia, dia manana talenta voajanahary. Ny kristiana ihany no mahazo ny FP. Io FP io dia hahatonga ilay kristiana hiasa amin’ny fomba izay hananany hery hanohanana fo.

78

Page 79: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

Ny FP sy ny vokatry ny Fanahy : -- (Gal 5:22,23). Ny vokatry ny Fanahy dia volen’ny Fanahy Masina ao anatin’ny kristiana tsirairay. Ny kristiana rehetra dia natao hanana ny vokatry ny Fanahy rehetra, saingy tsy ny kristiana rehetra no mahazo ny FP rehetra.Ny FP sy ny adidin’ny kristiana : -- Mety ho evanjelistra aho, ary ny hafa mety manana fanomezam-pahasoavana mampianatra. Isika rehetra anefa dia mijoro vavolombelona (Asa 1:8). Ny fijoroana ho vavolombelona dia tsy fanomezam-pahasoavana iray manokana avy amin’ny Fanahy homena olona voafantina. Andraikitra hiarahan’ny kristiana rehetra atao io. Ny kristiana tsirairay dia natao haneho sy hanambara izay nataon’i Kristy teo amin’ny fony sy ny fiainany, tamin’ny alalan’ny teniny sy ny Fanahiny.Ny FP tena izy sy sandoka : -- Manana zavatra sandoka foana amin’ny zavatra tena izy ny devoly. Ny FP sandoka matetika dia mifandray mivantana amin’ny resaka fahagagana, toy ny fanaovana fahagagana, fanasitranana, fitenenana amin’ny fiteny tsy fantatra, sy ny faminaniana. Amin’ny mahatalanjona azy dia manana hery lehibe tokoa hitarika ny fahalianana izy. Anisan’ny FP ananan’ny fiangonana ny fanaovana fahagagana saingy tsy maintsy fantarin’ny fiangonana am-pitandremana tsara ny mpanao azy, satria hisy ao amin’ny fiangonana marina sy tsy marina ny fahagagana amin’ny andro farany. Amin’ny alalan’ny Soratra Masina ihany no hitsapana azy.

Lisitry ny FP1) Fitantanan’asa – Ny fahaizana manao fandaminana, mitantana ary manara-maso ny asa

iarahana sy ataon’ny hafa hanatrarana tanjona. Ny heviny dia hoe “mamory”, toy ny mpamilisambo. Ny fahaizana mamolavola sy manomboka tetik’asa, hanatanterahana izay ilain’ny asan’Andriamanitra.

2) Apostoly – Anarana tsy dia fampiasa amin’ny fiangonana ankehitriny io. Kanefa, ny heviny dia hoe voairaka any ivelany, indrindra fa ny hoe voairaka hisolo tena ny fiangonana amin’ny asa fanompoana goavana kokoa. Azo lazaina fa ny fahaizana avy amin’ny Fanahy, hanomboka asa izay mety hitarika amin’ny fananganana fiangonana vaovao izany ankehitriny.

3) Fahaiza-manavaka – ny fahaiza-mandinika hanavahana ny fahamarinana amin’ny fahadisoana, amin’ny marina sy ny diso.

4) Fitoriana filazantsara – Ny fahaizana maneho ny filazantsaran’i Jesosy amin’ny fomba maharesy lahatra tokoa ka mitarika ny olona ho lasa mpianany.

5) Fampaherezana – Io teny io dia avy amin’ny teny izay nampiasain’i Jesosy hilazana ny Mpananatra (Fanahy Masina), Ilay anankiray ho avy hampahery. Ary io dia ny fahaizana mandrisika ny olona hihetsika ho amin’ny asa fanompoana an’Andriamanitra.

6) Finoana – Ny fahaizana mahita ny zavatra tian’Andriamanitra hovitaina sy ny fitokiana tsy azo hozongozonina fa tsy maintsy hahatanteraka izany na dia misy olana misakana tahaka ny inona aza.

7) Manome – Ny fahaizana mizara ny fananan’ny tena am-pifaliana sy am-pahazotoana mba hanampiana ny h afa sy hampandrosoana ny asan’Andriamanitra.

8) Fanampiana – Ny fahaizana manatanteraka, tsy am-piheveran-tena, ny zavatra ilain’ny hafa amin’ny alalan’ny asa fanampiana isan-karazany. Ny fampiasana io FP io matetika no hahafantarana ireo nahazo ny FP mampianatra sy mitory teny ho fanapariahana ny tenin’Andriamanitra.

9) Mahay mandray vahiny – Ny fahaizana manokatra ny tranon’ny tena am-pahalemem-panahy ka manao izay hahatamana ny vahiny sy mamelombelona azy ireo na ara-batana na ara-panahy.

10) Manalalana – Ny fivavahana amin-kafanam-po sy amin’ny fahatsoram-po ho an’ny hafa sy ny zavatra ilainy.

79

Page 80: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

11) Fahalalana – Ny fahaizana mora foana momba fahamarinana iray. Ao ihany koa ny fahaizana mitahiry sy mitadidy raki-pahalalana avy amin’ny tenin’Andriamanitra amin’ny fotoana ilàna izany.

12) Fitarihana – Ny fahaizana manetsika sy mitarika ny olona hanao ireo asa isan-karazany ao amin’ny tenan’i Kristy. Miseho amin’ny toe-tsain’ny mpanompo izany FP izany.

13) Manompo – Ny faniriana tsy misy toa azy sy ny fahafahana hanao zavatra ho an’ny hafa.

14) Famindram-po – Ny fahafahana maneho fangoraham-po ireo mandalo fotoan-tsarotra (indrindra fa ireo mijaly sy fadiranovana) amin’ny fomba azo tsapain-tanana sy amim-pamiramiranana, ka mampahery sy manampy azy ireny.

15) Asa misionera – Ny fahaizana mitory eraky ny toerana maro samihafa16) Mpitandrina – Ny fahaizana miandry, manoro hevitra, sy mampahery ny mpino

amin’ny dian’izy ireo miaraka amin’i Kristy sy amin’ny asa fanompoana ataony eo amin’ny fiangonana sy ny fiaraha-monina.

17) Faminaniana – Voalohany dia miantefa amin’ny fanomezana nomena olona iray izay nantsoina handray fanambarana avy amin’Andriamanitra, ho an’ny olona, izy ity. Ary faharoa manarak’izay dia ny fahaizana mitory teny ka mamelona ny baiboly amin’ny mpihaino azy.

18) Fampianarana – Ny fahaizana mampita sy manazava fahamarinana ara-baiboly amin’ny antsipirihina mba hahazoan’ny mpianatra azy.

19) Fahendrena – Ny fahaizana mamakivaky olana iray, ka manana fahitana malalaka tsara ny momba ny toe-javatra ary manome torohevitra feno fahendrena avy amin’ny tenin’Andriamanitra.

Ahoana no ahafantaranao ny fanomezam-pahasoavanao

Mivavaha amin-kafanam-po mba hanehoan’Andriamanitra izany aminaoHevero ny fanirian’ny fonaoMandraisa anjara mavitrika amin’ny asan’AndriamanitraHenoy ny fanamarihana ataon’ny kristiana namanao ; tokony afaka hahafantatra ny

fanomezam-pahasoavanao ny olon-kafaTombano ny fahombizanao

Ny vokatry ny fahafantaranao ny fanomezam-pahasoavanao

Ho fantatrao ny sitrapon’Andriamanitra ny amin’ny fiainanao sy izay toerana mety aminao ao amin’ny asan’ny fiangonana

Ho fantatrao tsaratsara kokoa izay hatao eo anatrehan’ny fahasamihafana sy ny tsy fifanarahan-tsaina.

Ho fantatrao misimisy kokoa ny momba anao sy ny fiarahanao miasa amin’i Jesosy Hanompo ny Tompo bebe kokoa am-pifaliana ianao satria asa tena tianao indrindra no

asaina ataonao. Hanana fitaovana tsaratsara kokoa ianao hahazoanao ny namanao sy ny havanao ho

an’i Jesosy.

Fanadihadihana hahafantarana ny fanomezam-pahasoavana

Naoty :

80

Page 81: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

Ny pejy dimy manaraka dia misy fanadihadihana ataonao amin’ny tenanao hahafantaranao ny fanomezam-pahasoavana arak’izay voalaza ao amin’ny baiboly. Hovakiana tsara ny tari-dalana dia fenoina arak’izay avy eo.

Fanadihadihana hahafantarana ny fanomezam-pahasoavanaRoy C. Naden sy Robert J. Cruise

Fanadihadihana ataon’ny tena manokana momba ny fampianaranaAvy ao amin’ny Testamenta Vaovao mikasika ny

Fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy Masina

Alohan’ny hamadihanao ny pejy sy hanombohanao : Vakio tsara

Ny fanontaniana tsirairay ao amin’ireo pejy manaraka dia natao hanombanana ny fanomezam-pahasoavana manokana.

Vakio am-pisaintsainana tsara ny fanontaniana tsirairay, avy eo dia asio boribory ny isa izay maneho ny haben’ny fahamarinana na tsy fahamarinan’ilay fanambarana eo amin’ny fiainanao.

Zava-dehibe ny hanasianao boribory ny fanontaniana tsirairay arak’izao :

Raha toa ka tena tsy marina mihitsy izany

Raha toa ka tsy marina foana izany

Raha toa ka marina tsindraindray na diso tsindraindray (miankina amin’ny zavamisy) izany

Raha toa ka saika toy izany foana

Raha toa ka tena izany mihitsy (marina foana izany)

Raha tena irinao no hahita vokatsoa avy amin’ity fanadihadihana ity, dia tsy maintsy izay tena valiny marina no omenao ! Rehefa voavalinao avokoa ny fanontaniana rehetra, dia araho ny toromarika ao amin’ny pejy fahatelo, izay momba ny fanombanana ny valinteninao. Aza avy dia vakiana ilay izy an ! Aza mandingana pejy mihitsy fa atomboy amin’ny pejy voalohany.

Fanamarihana farany alohan’ny hanombohanao ! Ity fanadihadihana momba ny fanomezam-pahasoavanao ity dia hanombanana bebe kokoa ny fanandramana efa niainanao tamin’ny lasa sy izay iainanao ankehitriny, noho ny fanantenana sy ny fanirianao ho avy. Noho izany izy ity dia miantefa akaikikaiky kokoa amin’ireo izay efa tao amin’ny ankohonan’ny Tompo nandritra ny volana vitsivitsy maromaro na ny mihoatra izany aza, noho ireo izay vao teraka indray ao amin’i Jesosy. Koa raha vao haingana ianao no nandray ny Tompo, eritrereto ny amin’izay hitranga amin’ny ho avy fa aza mihanina amin’izay efa niainana.

81

Page 82: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

Azonao atao amin’izay ny mamadika ny pejy sy manomboka ….

1. Tsy mampaninona ahy mihitsy ny mitarika fihetsiketsehana hiarahana amin’ny olona maro

1 2 3 4 5

2. Nantsoin’Andriamanitra mivantana aho mba hitana andraikitra ambony eo amin’ny fitarihana ny olon’Andriamanitra

1 2 3 4 5

3. Haiko ny mamantatra ny antony manosika ny ankamaroan’ny olona 1 2 3 4 54. Mora amiko ny mitarika ny hafa hanapa-kevitra ho an’i Jesosy 1 2 3 4 55. Raha tohina ny namako dia haiko ny milaza teny izay tena mampahery tokoa 1 2 3 4 56. Na dia tsy mazava amiko aza indraindray ny sitrapon’Andriamanitra dia mbola mandroso am-pinoana ihany aho

1 2 3 4 5

7. Rehefa misy antso hanao zavatra tsara, dia anisan’ny voalohany manome aho 1 2 3 4 58. Aleoko miasa any ambadiky ny sehatra rehefa misy fivoriana ara-tsosialy 1 2 3 4 59. Mahafinaritra ahy ny manampy ny hafa amin’ny fanasana azy hisakafo any an-trano.

1 2 3 4 5

10. Ny ankamaroan’ny fotoana hivavahako dia hivavahako ho an’ny zavatra ilain’ny hafa.

1 2 3 4 5

11. Fahamarinana iray mazava tsara amiko ny fanamarinana amin’ny finoana 1 2 3 4 512. Rehefa sehatry ny olana saro-bahana aho dia haiko ny mamantatra ny lakile mitondra vahaolana

1 2 3 4 5

13. Inay aho mba anisan’ireo misionera dimy novonoin’ny olona tamin’ny fotoana nitondrana ny filazantsara tany Auca Indians

1 2 3 4 5

14. Hitondra ary tena mitondra fahafaham-po lehibe ho ahy ny manampy ny olona ailikin’ny fiaraha-monina, toy ny mamo lava sy ny mpifoka zava-mahadomelina

1 2 3 4 5

15. Tsy hampahatahotra ahy mihitsy ny hiaina ao anatin’ny fiainana tsotra any an-tanin’olona raha toa ahafahako mitory ny filazantsara izany.

1 2 3 4 5

16. Mahafaly ahy ny mamangy foana ny mambran’ny fiangonana any an-tranony

1 2 3 4 5

17. Mahazo fampaherezana ny olona misedra zava-tsarotra rehefa miresaka aminy aho

1 2 3 4 5

18. Mahatsiaro tena toy ny any an-tranoko aho na aiza na aiza toerana hanaovana fampianarana baiboly

1 2 3 4 5

19. Rehefa tezitra ny olona iray dia haiko ny manazava ny antony mampahatezitra azy sy ny zavatra tokony hataony

1 2 3 4 5

20. Rehefa izaho no mikarakara zavatra iray dia tena misy firaisan-kina sy hafanam-po tsapa

1 2 3 4 5

21. Mahatsiaro tena ho olona manokana tokoa ny olona iray izay manana olana eo amin’ny fifandraisany amin’ny hafa rehefa mamaha izany olana izany aho.

1 2 3 4 5

22. Izaho foana matetika no antonina rehefa misy olana eo amin’ny adi-hevitra momba ny foto-pinoana

1 2 3 4 5

23. Haiko ny mamantatra na Jesosy na Satana no mampiteny na mampanao zavatra olona iray

1 2 3 4 5

24. Manana tombotsoa hitarika fanahy ho eo amin’i Jesosy foana aho. 1 2 3 4 525. Angatahina matetika aho hanampy ny olona misedra ady sarotra amin’ny famahana ny olana eo aminy

1 2 3 4 5

26. Mino tanteraka aho fa hamaha ny olana rehetra eo amin’ny lalako ny Tompo

1 2 3 4 5

27. Ahenako araka izay azo atao ny zavatra vidiako rehefa tonga ny antso hanome fanampiana ny hafa

1 2 3 4 5

82

Page 83: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

28. Rehefa antsoina hanome tanana aho dia tonga foana na dia sahirana aza 1 2 3 4 529. Ataoko fomba fanao ny miarahaba vahiny ary amin’ny fotoana mety dia asaiko ho any an-tranoko izy.

1 2 3 4 5

30. Mahatsiaro foana ny olona sahirana aho ary mitondra ny zavatra ilainy eo amin’Andriamanitra am-bavaka

1 2 3 4 5

31. Haiko ny mitady ny zavatra ampianarin’ny tenin’Andrimanitra momba ny lohahevitra maro, rehefa misy fitaovana mety manampy ahy amin’ny fandinihina ataoko.

1 2 3 4 5

32. Tsy mampahatahotra ahy ny maty noho ny finoako 1 2 3 4 533. Tena manohina ny foko tokoa ny mahita olona sembana ary tiako ny miresaka amin’izy ireny sy manampy azy.

1 2 3 4 5

34. Zakako ny fisarahana amin’ny olona tiako raha toa ka ilaina ny andehanako any an-tany lavitra hizara ny filazantsara

1 2 3 4 5

35. Mahafa-po ahy, na mino aho fa tena izany tokoa, ny miakatra pilopitra isan-kerinandro mandritra ny taona

1 2 3 4 5

36. Izao foana no lazain’ny olona amiko :”Tena avy amin’Andriamanitra ianao. Tena hainao mihitsy ny manome fahafaham-po ahy”.

1 2 3 4 5

37. Haiko ny manoratra fandaharam-pianarana mifampitohy tsara ho an’ny kilasin’ny baiboly iray.

1 2 3 4 5

38. Fantatro hoe rahoviana no hijoro tsy azo hozongozonina eo amin’ny toerana misy ahy ary rahoviana aho no mijoro eo anelanelan’ny toerana roa samihafa

1 2 3 4 5

39. Faly aho ny manaiky ny fisian’ny maha irery izay ateraky ny fitarihana 1 2 3 4 540. Anontaniana foana ny hevitro rehefa hifidy mpitarika 1 2 3 4 541. Rehefa misy olona manatona ahy hangata-bola dia haiko ny mamantatra raha tena mila vola marina ilay olona, na mandainga fotsiny.

1 2 3 4 5

42. Mitady ahy ny olona resy lahatra ary manontany ahy ny tokony hataony hanolorany ny fiainany ho an’i Jesosy

1 2 3 4 5

43. Mangataka torohevitra tsara avy aty amiko ny olona mila izany 1 2 3 4 544. Manome lanjany ny teny fikasan’Andriamanitra aho ary inoako ny fahatanterahan’izany na toa tsy azo tanterahana aza izany.

1 2 3 4 5

45. Raha totaliana ny fanomezana ataoko ho an’ny hafa sy ho an’ny fiangonana dia mety hihoatra ny ampahadimin’ny vola miditra amiko (karama) izany.

1 2 3 4 5

46. Rehefa asain’ny fiangonana na ny lehiben’ny fiaraha-monina hanao asa ambany, toy ny mamafa lalana, aho dia ataoko am-pifaliana izany

1 2 3 4 5

47. Matetika dia maro ny olona misakafo ao aminay rehefa mirava ny fotoam-pivavahana ao am-piangonana

1 2 3 4 5

48. Manana lisitra lavaben’ny olona entiko am-bavaka aho 1 2 3 4 549. Tsy mampaninona ahy mihitsy ny mamaly ny fanontaniana mikasika ny baiboly

1 2 3 4 5

50. Haiko ny mamolavola fandaharan’asa mitohy sy mijery ny fanatanterahana azy hatramin’ny farany

1 2 3 4 5

51. Raha helohin’ny fitsarana ho faty aho noho ny fitoriako ny filazantsara dia hahafaly ahy ny ho faty ho an’ny Tompo

1 2 3 4 5

52. An-tsitrapo no hanampiako mamo maloto fitafiana hiampita arabe be olona be.

1 2 3 4 5

53. Ho haiko ny mampifandrindra ny fiainako (mizatra) amin’ny kolontsaina ao amin’ny firenena hafa raha antsoina hiasa any aho.

1 2 3 4 5

54. Mahatsiaro tena ho “mpiandry ondry” manolotena tanteraka hanao izay hahasoa ny “ondriko” aho ao am-piangonana

1 2 3 4 5

55. Ampiasain’Andriamanitra hampitraka ny fanahy kivy aho 1 2 3 4 5

83

Page 84: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

56. Tonga haingana ao an-tsaiko ny fampianaran’ny baiboly rehefa miatrika olana iray aho

1 2 3 4 5

57. Hitako mialoha mazava tsy misy toy izany ny mety ho vokatry ny fanapahan-kevitra iray any aoriana any.

1 2 3 4 5

Ny fomba hanombanana ny valinteninao :Avereno jerena hatramin’ny voalohany ny fanontaniana rehetra ary jereo tsara sao sendra misy fanontaniana tsy nasianao boribory.

Indro taratasy entina hanombanana ny fanadihadihana. Raha mijery tsara ianao dia ho hitanao fa misy efitra 57. Jereo ny isa nasianao boribory eo amin’ny fanontaniana voalohany dia soraty eo amin’ny efitra voalohany izany. Jereo ny isa nasianao boribory ao amin’ny fanontaniana faharoa dia soraty amin’ny efitra faharoa izany. Dia toy izany hatrany mandra-pamenonao isa iray anatin’ny efitra 57. Avy eo dia ampifanampio ny isa rehetra manomboka avy any ankavia ka hatrany ankavanana. Izany hoe ampifanampio ny isa ao amin’ny efitra voalohany sy faharoapolo ary ny faha sivy amby telopolo. Soraty manandrify ny efitra misy hoe totaly ny totalin’isa azonao. Rehefa feno avokoa ny efitra fametrahana ny totaly dia avereno jerena tsirairay ary asio boribory izay tarehimarika ambonimbony. Mety hisy tarehimarika roa ka hatramin’ny efatra hitovitovy. Saintsaino mandritra ny fotoana fohy ny momba ireo fanomezam-pahasoavana vao nasianao boribory, ireo nahazoana isa ambony. Iza amin’ireo no tianao heverina VOALOHANY hanaovana fandinihana sy fanandramana bebe kokoa ? Asio marika kely () eo akaikin’ilay fanomezam-pahasoavana.

Ohatra :

19 4 38 5 57 4 Totaly 13 Fahendrena

Anarana : ______________________________________________________

Isa 1 Isa 2 Isa 3 Totaly Fanomezam-pahasoavana1 20 39 Fitantanan’asa2 21 40 Apostoly3 22 41 Fahaiza-manavaka4 23 42 Fitoriana ny filazantsara5 24 43 Fampaherezana6 25 44 Finoana7 26 45 Manome8 27 46 Fanampiana9 28 47 Mahay mandray vahiny10 29 48 Manalalana11 30 49 Fahalalana12 31 50 Fitarihana13 32 51 Maritiora14 33 52 Famindram-po15 34 53 Asa misionera16 35 54 Mpitandrina17 36 55 Faminaniana18 37 56 Fampianarana19 38 57 Fahendrena

84

Page 85: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

Farany:

Soraty etsy amin’ny toerana voatokana ho amin’izany etsy ambany ny fanomezam-pahasoavana mahazo isa ambony indrindra. Mety hisy isa roa na efatra mitovitovy. Io no mety ho “fehezam-panomezana” ho anao.

1. __________________________ 2. __________________________3. __________________________ 4. __________________________

Ankoatr’izay, dia soraty eto ambany izay noheverinao ho fanomezam-pahasovana anananao, na dia nahazo isa ambony aza izany. Ilaina ihany koa ny handinihina izany lalindalina kokoa, miaraka amin’ireo lisitra etsy ambony.

5. __________________________ 6. __________________________

Nahavita dingana iray lehibe eo amin’ny famantarana ny fanomezam-pahasoavana anananao ianao izay. Saingy maneho fotsiny izay tena mety ho fanomezam-pahasoavanao ny fanadihadihana. Tsy midika izany fa tena ireo marina ny fanomezam-pahasoavanao. Ilainao ny manamarina bebe kokoa ny fanomezam-pahasoavana nomen’Andriamanitra ho anao hampiasainao ho amin’ny asany. Ilaina amin’izany ny vavaka isan’andro sy ny fianarana ny andininy ao amin’ny Testamenta Vaovao miresaka momba ny fanomezam-pahasoavana. Manantena izahay, eo ambanin’ny fanampian’ny Fanahy Masina, fa hanao izany rehetra izany sy ny hafa ianao.

Ny isa sy ny filazana nangonina avy tamin’ny kristiana roa arivo mahery, nandinihina ny valinteny dia maneho fa ny isa rehetra latsaky ny sivy dia toa maneho fa mety tsy manana io fanomezam-pahasoavana io ilay olona tamin’io fotoana io, kanefa tsy tokony tena horaisina am-po tanteraka izany.

Ny fanomezam-pahasoavana voalaza ao amin’ny Testamenta Vaovao nefa tsy voalaza tao amin’io fanadihadihana io dia : ny fanasitranana, fanaovana fahagagana, fitenenana amin’ny fiteny tsy fantatra, fandikana fiteny tsy fantatra, fijanonana ho tokan-tena, hiaina anaty fahantrana, ary fandroahana devoly. Manaitra sy mivandravandra tokoa ireo ka tsy mila hampiana hamantatra azy ireo izay manana azy ! Saingy mbola mila hatrany ny fanamarinana avy amin’ny mambra sasany ao amin’ny fiangonana eo an-toerana izy momba ny fampiasana azy.

Naoty:

85

Page 86: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

C. Karazana fandaharan’asa fanatrarana fanahy eo amin’ny fiaraha-monina 40 mn

TanjonaHahazoana fomba isan-karazany hitoriana ny hafatra sy fomba hanaovana ny fandaminana sy fanatanterahana izany hifanaraka amin’izay mety amin’ny ankizy sy ny tanora.

FanazavanaMarobe ny asa fanompoana ivelan’ny fiangonana azo atao. Tokony homena

fanampiana sy torolalana ny mpitarika mba hahazoana antoka fa afaka mifidy amim-pahendrena ny programa tsara indrindra mifanaraka amin’ny talenta sy fahaiza-manao ny klioba na ny tsirairay. Tena zava-dehibe indrindra ihany koa ny fotoana faharetana sy ny halavan’ny hetsika ary ny karazany nofantenina.

Indreto misy karazana programa sy santionam-pandaharana azo atao hahatrarana ny fiaraha-monina any ivelany:

Fialam-boly:- Kilalao am-bisikileta- Kilalao ara-panatanjahan-tena- Kilalao anaty rano- Fialam-boly hikambanana amin’ny fikambanana hafa

Volavolan’asa ara-batana atao eo amin’ny fiaraha-monina:- Mamboly hazo sy voninkazo- Mandoko- Fandaharana ho an’ny mpifanolobodi-rindrina- Fanasana fiaran’ny mpiara-monina

Fahasalamana:- Fanaovana dia tongotra lavitra- Volavolan’asa mahakasika ny tontolo iainana- Fianarana mahandro sakafo ara-pahasalamana- Fanomezan-dra

Asa fanompoana ataon’ny kristiana manokana:- Manangana dadabe iray- Manampy ray na reny tokantena- Manao asa an-tsitrapo amin’ny andro fifidianana- Fandaharana ho an’ny olona tsy manana trano fonenana

Volavolan’asa ho an’ny tranon’ny fiangonana:- Mandoko efitrano- Mpikarakara trano (mamafa, manasa, …) mandritra ny herinandro- Mikarakara ny ivelany mba hahatonga izany ho tsara tarehy sy manintona- Manangana efitra ho an’ny Sekoly Sabata

Fahalalana onony / Fahasalamana:- Fifaninanana mahalala onony- “Youth to Youth” Tanora ho an’ny Tanora- Seminera eny amin’ny sekolim-bahoaka- Foara / andro iray manokana

86

Page 87: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

Mitory amin’ny olona ivelan’ny fiangonana:- Manao fanadihadiana eo amin’ny fiaraha-monina- Mitaiza zaza (baby sitting)- Mikarakara zaridaina- Fitoriana amin’ny fampisehoana tantara an-tsehatra amin’ny alalan’ny

saribakoly (marionette)

Firahalahiana:- Fety kristiana ho an’ny be antitra- Fiarahana amin’ny olona sembana- Fitsangatsanganana miaraka amin’ny ankizy eo amin’ny fiaraha-monina- Fiarahana amin’ny mpiara-miangona

Fitoriana filazantsara- Sekolin’ny baiboly mandritra ny fialan-tsasatra / na mandritra ny lasy- Fivoriambe “Tanora ho an’i Kristy”- Fianarana baiboly- Seminera momba ny Apokalypsy

Asa maneran-tany- Volavolan’asa / Asa manavanana mifandray amin’ny ADRA- Volavolan’asa ho an’ny misiona manokana na misiona maneran-tany- Volavolan’asa momba ny lovan’ny fiangonana- Asa ho an’ny mpianatra

Loharanon-kevitra :

Departemantan’ny sampana mikarakara ny ankizy, ny mpisavalalana, ny tanora eo amin’ny saha.Tari-dalana ho an’ny mpampianatra eo amin’ny kilasin’ny tanora (AY Class Instructor’s Manuals)“You Too Can Witness” nosoratan’i Robert Johnson“Beyond Leaf Raking” nosoratan’i Benson sy Roehlkepartain (natontan’ny Abidjan Press)

D. Fitaovana sy loharanon-kevitra 15 mn

Tanjona Manome lisitra na loharanon-kevitra, horonan-tsary, boky izay azon’ny mpitarika eo an-toerana ampiasaina, na olona azony antsoina, eo amin’ny manodidina ny saha. Ireo dia hanampy amin’ny fampiroboroboana ny fandaharana ataon’ny klioba.

FanazavanaIlaina ny hanaovan’ny filohan’ny seminera lisitry ny fitaovana misy eo an-toerana, izay azon’ny mpandray anjara ampiasaina. Ilaina ihany koa ny hisian’ny sasany amin’izy ireny azo vidiana, na hofaina, na hindramina …

87

Page 88: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

2) Manana na mahazo ireto “asa manavanana” ireto:FITANTARANA TANTARA KRISTIANA

Voalaza manaraka etoana ny fepetra takiana. Ny boky taridalana momba ny asa manavanana ny mpisavalalana ihany koa dia ahitana filazalazana momba ireny, mety ho maharaka kokoa ny toetr’andro aza. (The Pathfinder Honor Handbook)

1. Milaza loharanon-kevitra iray nangalanao tantara anatin’ireto sokajy ireto: manaova tantara iray avy amin’ny sokajy tsirairay.

a. Tantara masinab. Tantaran’ny fiangonanad. Natiorae. Tantaran’olonaf. Tantara arahin-tsary anatsoahana lesona

2. Ireto manaraka ireto atao rehefa mampiasa ireo tantara voalaza etsy ambony ianao :a. Mitantarà tantara amin’ny ankizy tsy mihoatra ny dimy taona,

farafahakeliny mandritra ny telo minitrab. Mitantarà tantara amin’ny gropin’ankizy 10-12 taona, mandritra ny 5

minitra farafahakeliny

3. Ataovy an-tsoratra ny fizarazarana eo amin’ny tantara hotantarainao

4. Lazao ny antony tsy maintsy hanovana ny fitaovana hampiasainao, sy ny fomba tianao hanovana azy :

a. Tantaraina amin’ny fampiasana ny “izaho” na “ianao” na “izy” ilay tantarab. Hafa ny mpihaino, ny taonany sy ny tanjona anaovana izany.c. Afohezina ilay tantarad. Itarina kokoa ilay tantara

5. Lazao ny antony ilàna tanjona voafaritra tsara eo amin’ny fitantarana ilay tantara. Ahoana ny mety hahitanao famaranana tsara ho an’ilay tantara?

6. Manaova tantara mikasika misionera vahiny iray mandritra ny 5 minitra farafahakeliny

7. Manaova tantara iray mampianatra lalàna ara-pahasalamana

FAHAIZA-MANAO MOMBA NY LASY I SY II

Omena etoana avokoa na ny momba ny lasy I na II raha toa ka mbola tsy azo avokoa izany. Tsy maintsy azo aloha ny fahaiza-manao momba ny lasy I vao azo alaina ny lasy II. Miankina amin’ny taona no fepetra voalohany hahazoana azy roa ireo, noho izany dia tsy lazaina eto intsony ny momba izany satria ny mpiadina ho Filoha Mpitarika rehetra dia efa mihoatra ny taona izay lazain’ny fepetra takiana.

88

Page 89: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

FAHAIZA-MANAO MOMBA NY LASY I

1. Mahatakatra tsara an-tsaina sy manazatra tena amin’ny fomba fiainana eny an-tany foana sy an-dasy, ary ny fanajana ny eny an-tsaha

2. Mahafantatra zavatra 8 azo atao raha sendra very3. Zatra mampiasa karazana fitaovana fatoriana isan-karazany, mifanaraka amin’ny toerana

sy ny toetr’andro4. Manao lisitra ny zavatra ilaina rehefa manao lasy an-kalamanjana mandritra ny faran’ny

herinandro (weekend)5. Manomana sy mandray anjara amin’ny lasy ankalamanjana atao mandritra ny faran’ny

herinandro (weekend)6. Mahay manangana sy mandrava trano lay tsara. Mitandrina tsara amin’ny fampiasana afo

rehefa mampiasa trano lay.7. Mahafantatra sy mampihatra ny fitsipika momba ny fikarakarana momba ny

fahadiovan’ny lasy na ho an’ny toeram-pilasiana taloha na moderina8. Mahay tsara ny fampiasana antsy sy famaky. Mahalala lalam-piarovana folo amin’ny

fampiasana azy ireo.9. Afo :

a. Mampiseho fahaizana misafidy sy manomana toerana handrehetan’afob. Mahafantatra fitandremana mialoha amin’ny loza ateraky ny afod. Mahay mandrehitra afokasokae. Mizatra mamelon’afo amin’ny fampiasana singan’afokasoka iray sy fitaovana

voajanahary ihanyf. Mampiseho ny fomba fiarovana ny kitay rehefa avy ny orana

10. Manao mofo amin’ny tsora-kazo iray11. Manazava ny fomba fanasana ny fitaovana fandrahoana sy fihinanana ary ny fomba

fitehirizana azy hadio12. Manazava ny fitafy entina matory sy ny fomba hahazoana hafanana amin’ny alina13. Mandray lesona ara-panahy avy amin’ny natiora mandritra ny lasy14. Azavao ary manazara tena amin’ilay fitenenana hoe “Aza maka na inona na inona afa-tsy

sary; aza mamono na inona na inona afa-tsy ny fotoana ; ary aza mamela na inona na inona afa-tsy ny dian-tongotra”.

FAHAIZA-MANAO MOMBA NY LASY II

1. Mamelabelatra ny fiheveran’ny tenanao manokana izany hoe fahaiza-miaina eny ankalamanjana izany, toy ny fanajana ny mpiara-milasy sy ny fiarovana ny eny an-kalamanjana

2. Mahafantatra sy mahatakatra tsara ireto zavatra enina ireto izay ilaina amin’ny fisafidianana izay toerana tsara ilasiana

a. Rivotra b. Hazo d. Ranoe. Toetr’andro f. Zavatra dia g. Zotom-po

3. Mampiseho ny fahaizanao miaro ny ala sy ny loharano amin’ny alalan’ny fitandremana ny fahadiovana rehefa misasa na rehefa mandro.

4. Mandeha milasy mandritra ny faran’ny herinandro (weekend)5. Mandray anjara amin’ny iray amin’ireto fanompoam-pivavahana eny an-dasy ireto :

a. Fianarana ny leson’ny Sekoly Sabatab. Tantara

6. Fanompoam-pivavahana handinihan-tena (méditation)7. Mitarika hira8. Mahay mandrehitra jiro lavitry ny loza sy mampiasa fatana sy fanala an-dasy

89

Page 90: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

9. Mahay ny aro lozan’ny fanapahana kitay ary mampiseho tsara ny fanaovana izany10. Manangana antontan-kitay miendrika vokovoko hanaovana afo ary mahafantatra ny

ilàna azy. Ary mahay mahandro sakafo amin’ny kitay ihany koa. Mamerina ny fiarovan-tena rehefa mampirehitra.

11. Manazava fomba roa hitehirizana sakafo mandritra ny lasy12. Manamboatra fitaovana fampiasa amin’ny lasy (astuces) karazany roa13. Mikarakara sakafo ao amin’ny lasy amin’ny fampangotrahana, fanendasana ary

fandrahoana mofo14. Manoro toerana voafantina azo ananganana trano lay. Mahay manangana sy

mandrava trano lay mbola lena? Mahay manasa, manamaina ary mampirina trano lay.15. Fatoriana :

a. Maneho fomba fangoronana sy famelarana irony fandriana toy ny kitapo be irony (sac de couchage) na fandriana fitondra mandeha lavitra mifindra toerana

b. Milaza ny fomba fitehirizana “sac de couchage” na fandriana azo ahorina, tsy ho tratry ny hamandoana mandritra ny lasy

Milazalaza ny fomba hanadiovana ny “sac de couchage” na ny fandriana azo ahorina

Mahazo “asa manavanana” roa izay tiana ka mbola tsy ananana

1_____________________2_____________________

Pejy tsara hitehirizanao ny “asa manavanana” efa azonao ity. Mety irinao ny hanamarika amin’ ireo asa efa nahazoanao fandrosoana amin’ny ambaratonga ambony, ary asio marika () ireo izay efa nampianarinao

Fahaizana momba ny zava Taozavatra Fahasalamana sy siansa-kanto sy ny taozavatra ao an-tokantrano_____________________ ______________________ _____________________ ______________________ _____________________ ____________________ ______________________ _____________________ ______________________ ______________________ _____________________ __________________________________________ ______________________ __________________________________________ ______________________ ____________________

Taozavatra fanao eny Fianarana momba ny natiora Asa fitorianaan-kalamanjana_____________________ ______________________ _________________________________________ ______________________ _________________________________________ ______________________ _________________________________________ ______________________ _________________________________________ ______________________ _________________________________________ ______________________ _________________________________________ ______________________ _________________________________________ ______________________ _________________________________________ ______________________ _________________________________________ ______________________ ____________________

90

Page 91: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

Fialam-boly Asa fivelomana Ankoatr’ireo_____________________ ______________________ _________________________________________ ______________________ _________________________________________ ______________________ _________________________________________ ______________________ _________________________________________ ______________________ _________________________________________ ______________________ _________________________________________ ______________________ _________________________________________ ______________________ ____________________

Manana traik’efa momba ny vonjy taitra sy ny fiarovana avy amin’ny vokovoko mena na fikambanana iray mitovy amin’izany

Any amin’ny firenena izay tsy ahitana vokovoko mena matanjaka na fikambanana hafa mitovy aminy, dia ny fahavitana ny “asa manavanana” momba ny vonjy taitra amin’ny ankapobeny dia mahasolo azy.

Filazalazana momba ny fanomezana ilay sertifika

Maharitra 12 ora ilay fianarana ary amin’izany ny mpianatra dia mianatra manokana momba ny famonjena olona kenda ; famonjena olon-dehibe, ankizy sy zazakely sempotra, famehezana ratra, fanitsiana taolana tapaka (amin’ny fametrahana hazo fisaka eo amin’ny faritra tapaka), famehezana fahaverezan-dra, may, ratra, main’ny masoandro na ngolin’ny hatsiaka, sy ny fomba fikarakarana olona iray voan’ny diabeta mila fikarakarana maika. Hahazo sertifika momba CPR avy amin’ny fikambanana izay hanankery ao anatin’ny herintaona, sy sertifika momba ny vonjy taitra sy ny fiarovana izay hanankery telo taona ny mpianatra.

Ireto azy no zavatra hianarana amin’izany:

- Fomba hahafantarana toe-javatra iray ilàna fikarakarana maika (urgence) sy ny fomba fandresena ny tahotra izay mampisalasala ka mahatonga ilay olona tsy sahy mandray andraikitra

- Fomba fampiasana ny fomba fiasa na ny mitovy amin’izany

- Fomba fahafantarana ny toe-javatra ilana fikarakarana maika toy ny fahasemporana, ny areti-po, ny fijanon’ny fitempon’ny fo tampoka na eo amin’ny olon-dehibe na amin’ny ankizy na amin’ny zazakely ; ary ny fikarakarana mifanaraka amin’izany

- Mahafantatra ny fandehanan-dra be mety hamono ary mampiseho ny fomba famehezana izany

- Fomba famantarana ny may ny herin’aratra sy fanamaivanana ny fahavoazan’ny vatana mety vokatr’izany

- Mamantatra sy mikarakara ny ratra isan-karazany mahazo ny nofo sy ny hozatra ary ny taolana.

91

Page 92: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

- Mamantatra sy mikarakara ny aretina tampoka, ao anatin’izany ny fanatelemana poizina sy toe-javatra vokatry ny hafanana be loatra na hatsiaka be loatra ka ilàna fikarakarana maika.

Rehefa vita tsara sy tamin’ny fahombiazana ny fianarana dia mahazo sertifika. Mba hampanankery ny sertifikanao dia tsy maintsy olona nahazo alalana avy amin’ny fikambanana niaviany ny mpanofana ary tsy maintsy manaraka ny fepetra sy ny dingana rehetra apetrak’ilay fikambanana. Manatona ny vokovoko mena eo amin’ny toerana misy anao na fikambanana mitovitovy aminy.

Manara-maso ny fandehan’ny fianaran’ny mpisantatra na mpisavalalana na mampianatra kilasin’ny Sekoly Sabata mandritra ny telovolana farafahakeliny

Amin’ny fanatanterahana ity taranja ity dia mety hirinao ny hampihatra na hanao fanandramana ny zavatra nianarana nandritra ny seminera momba ny fampitomboana ny fahaiza-manao tapany voalohany (voalaza tany aloha). Ho fampahatsiahivana dia ireto avy no kilasim-pandrosoana efatra ao amin’ny mpisantatra : Tantely Mazoto Miasa, Tanamasoandro, Tanana Manampy, Mpanorina. Ny an’ny mpisavalalana kosa dia Namana, Sakaiza, Mpanazava, Mpamaky Lay, Mpandeha Lavitra ary Mpitarika.

IV- Fitomboan’ny ankizy

1. Mamaky ny boky “Education”

Boky nosoratan’i Ellen White izy io ary feno torolalana tsara sy fotokevitra filozofika momba ny fomba fianarana sy fampianarana. Tsy maintsy atao izany ho an’ireo izay mifidy ny hitarika ny ankizy ho any amin’ny fanjakan’ny lanitra.

2. Mamaky farafahakeliny boky iray hafa momba ny fitomboan’ny ankizy, na manatrika seminera maharitra ora telo mikasika ny fitomboan’ny ankizy anaty taona iray eo ambany fitantananao

Maro ireo boky mahasoa hitantsika sy azo vidiana eny amin’ny foibe fivarotam-boky kristiana sy eny amin’ny toeram-panofanana mpampianatra na amin’ny toerana hafa mitovy amin’izany. Ireto koa misy boky hafa nosoratan’i Ellen White azo ampiasaina tsara amin’izany : “Child Guidance”, “Messages à la Jeunesse”, ary ny “Fundamentals of Christian Education”.

Ny departemanta misahana ny ankizy (Minsitère des Enfants) koa dia manatanteraka seminera maromaro izay tena lafatra tokoa amin’ny fampifantohana ny hetsika ataon’ny ankizy amin’ny resaka ara-panahy. Ireto misy lisitry ny fanofanana mifanaraka amin’ny fepetra takiantsika:

Seminera ataon’ny Departemanta Misahana ny Ankizy )

Fanazavana ny asa nanirahana sy ny anjara asan’ny sampana miadidy ny ankizy 1 oraFifanakalozan-kevitra famoaboasana ny momba ny sampana miadidy ny ankizy sy ny fifandraisany amin’ny departemanta hafa ao amin’ny fiangonana

Fanampiana ny zanaky ny mpitandrina 4 oraLoharanon-kevitra, fitaovana, ary hetsika anaty gropy, handinihana manokana ny

92

Page 93: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

fihaikana manokana hatrehan’ny ankohonan’ny mpitandrina. Fizarana tolo-kevitra hahatonga ny fiainam-piangonana sy fitomboana ara-panahy, hisy dikany amin’ny zanaky ny mpitandrina

Ny pasitora tia karokaroka dia mampandray anjara ny ankizy amin’ny programa rehetra ataon’ny fiangonana 1 oraFanofanana fohy ny pasitora izay nanolotra fomba fiasa mavitrika hampitana hafatra amin’ny ankizy mba hahatonga ny fanompoana masina sy ny hetsika hafa rehetra ao amin’ny fiangonana ho sady mety amin’izy ireo no mety amin’ny olon-dehibe ihany koa.

Mba ho mpampianatra kristiana mahomby 1 ora sy sasanyFikarohana ara-baiboly, avy amin’ny Fanahin’ny faminaniana ary eo amin’ny tontolon’ny fanabeazana, hahitana fomba fampianarana mahomby azo ampiharina

Ny fomba hatao mba hahatonga ny baiboly ho fifalian’ny ankizy 1 – 6 oraPrograma fianarana baiboly mifototra amin’ny tantara enina malaza avy ao amin’ny baiboly. Raha vao voavola ao an-tsaina fotsiny ny rafitra dia mora foana ny mametraka amin’ny toerany ny andinindinim-pahalalana ara-baiboly izay mifamahofaho ao an-tsain’ny lehibe sy ny ankizy

Ny hahatonga ny fivorian’ny ankizy ho toerana mahafaly sy hahomby 1 oraFoto-kevitra hitondrana ny ankizy mpanakorontana

Fomba fianarana ahitana fahombiazana 1 ora sy sasanyFikarohana ara-baiboly, avy amin’ny Fanahin’ny faminaniana sy eo amin’ny sehatry ny fanabeazana, momba ny fahazoana an-tsaina ny dingana eo amin’ny fianarana, fijerena ny fampiharana izany eo amin’ny sehatry ny fanabeazana advantista, ary ny fampiharana ny fotokevitra avy amin’izay eo amin’ny hetsika ataon’ny ankizy isam-piangonana.

Fomba fianarana baiboly eo anivon’ny ankizy anatin’ny taona samihafa 1 oraTeknika hitondrana fampianarana baiboly mifototra amin’ny fahafaha-manaon’ny ankizy mitovy taona

Mampahafantatra ny ankizy ny asa nanirahana antsika 1 ora sy sasanyFomba mavitrika hamohazana ny sain’ny ankizy hampahafantarana azy ireo ny asa nanirahana antsika sy hampandraisana anjara azy ihany koa.

Mitarika ny ankizy ho eo amin’i Kristy 4 oraFilàna fototra eo amin’ny tontolo iainana, fahalalana ary fitomboana ao amin’i Kristy izay mampifamatotra ny ankizy amin’i Kristy sy ny fiangonana

Mamolavola lesona ara-baiboly 2 oraFomba mavitrika hanomanana lesona izay ahitana ireto fizarana ireto dia ny fisintonana ny fahalianany, fianarana ny Teny miaraka, fitadiavana ny lesona tsoahina hampiharina eo amin’ny fiainana, fomba fanombanana ny fahombiazan’ny lesona. Ny rafitra tsotra dia ny fitadiavana fomba hampandraisana anjara mavitrika ny mpianatra eo amin’ny fianarana.

Oay, Sabata sahady indray ity, izaho anefa mbola tsy vonona 1 ora sy sasany

93

Page 94: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

Fomba fiasa mavitrika hahatonga ny asa hahafaly ny ankizy sy ny fomba hahatonga ny ankohonana rehetra ho vonona alohaloha ho amin’ny Sabata.

Fiarovana ny ankizy amin’ny fanaovana an-keriny 1 ora sy sasanyNy tokony ho fantatry ny ray aman-dreny sy ny ankizy, sy izay tokony holazaina amin’ny ankizy mba hanomezana antoka fa voaaro amin’ny fanaovana an-kery ny ankizy.

Antony enina hanokanana fotoana ho an’ny ankizy 1 oraHijerena ny porofo voarakitra amin’ny fikarohana izay manohana ny voalazan’ny tsindrimandry momba ny maha-zava-dehibe ny taona telo voalohany sy ny taona fito voalohany. Handinihana ny fomba hanatanterahana ny foto-kevitra eo anivon’ny hetsika ataon’ny fiangonana ho an’ny ankizy.

Mikarakara izay rehetra nampiandraiketan’Andriamanitra ahy 1 ora sy sasanyFomba fijery mivelatra momba ny hetsika rehetra mifandray amin’ny fitantanam-pananana, izay natao mba hahatonga ny fitantanam-pananana hisy heviny amin’ny ankizy

Mampianatra ny ankizy haneho fanajana 1 ora sy sasanyHevitra avy amin’ny baiboly, fanahin’ny faminaniana, fikarohana ary hetsika ataon’ny gropy kely, izay manolo-kevitra amin’ny fanampiana ny ankizy hianatra ny dikan’ny fanajana sy ny fampiharana azy

Mpianatra mpandinika fa tsy mpihevitra ny hevitry ny hafa 1 oraFomba mavitrika hanarahana ny torohevitra avy amin’Andriamanitra sy fampianarana ny ankizy hahay hieritreritra.

Ny tombambidin’ny fiaraha-monina kristiana ho an’ny ankizy 1 oraFikarohana ara-baiboly, avy amin’ny fanahin’ny faminaniana avy amin’ny fikarohana ankehitriny mikasika ny tombotsoan’ny lehibe amin’ny famoizana fotoana hiresadresahana amin’ny ankizy

Fandraisana ny Mpanjaka1 ora

Fampisehoana momba ny fankalazana feno fifaliana ny fiantombohan’ny Sabata, ny zoma hariva, arahina fianarana baiboly momba ny heviny lehibe nomen’Andriamanitra ny Sabata.

Ny zanakao sy ny vanim-potoana moderina 1 ora sy sasanyNy fomba famohazana ny ankizy eo anatrehan’ny fakam-panahy omanin’i Satana isan’andro mba hamitahana sy hanala ny saina tsy hifantoka amin’Andriamanitra

V- FITOMBOANA EO AMIN’NY FITARIHANA

94

Page 95: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

1. Mamaky boky iray izay tiana mikasika ny fahaiza-mitarika amin’ny ankapobeny

Marobe ireo boky eny an-tsena mikasika ny lafiny isan-karazany mikasika ny fitarihana. Noho izany dia tsy hametraka lisitra izahay satria tsy ho feno ary ho lany daty haingana foana izany. Ny boky mitondra ny lohateny hoe “Leadership Is an Art” nosoratan’i Max dePreez anefa dia boky iray tena tsara tokoa raha vakiana raha toa ka afaka mahita izany ianao.

2. Maneho ny fahaizanao mitarika amin’ny:a. Mikarakara sy mitarika fanompoam-pivavahana telo

Lohahevitra / Lohateny Daty hanaovana azy1.______________________________________ _______________________ _______________________________________________________________________

Famintinana ny endrikendriny na ny fomba hanaovana azy:___________________________________________________________________________________________

_______________________________________________________________________

Famintinana ny endrikendriny na ny fomba hanaovana azy:____________________________________________________________________________________________

________________________________________________________________________

Famintinana ny endrikendriny na ny fomba hanaovana azy:_________________ __________________________________________________________________________

b. Mitarika ny ankizy na tanoran’ny fiangonanao amin’ny fandaharana iray karakarain’ny sahan’asa

Fandaharana: Daty nanaovana azy:_______________________________________________________________________

Andraikitra na fiantsoana __________________________________________________Fanazavana sy/na fanamarihana momba ny fandraisan’anjaran’ny gropinao _________________________________________________________________________________

d. Mampianatra kilasy telo eo amin’ny Mpisantatra na asa manavanana roa eo amin’ny Mpisavalalana

Ataovy lisitra eto izany, ary aza adino ny manamarika izany eo amin’ny fepetra fahatelo eo amin’ny fahaiza-manao1. _____________________ 2. ___________________ 3. __________________

e. Manampy amin’ny fanomanana sy mitarika fivoahana eny anivon’ny natiora ho an’ny Mpisantatra, sy Mpisavalalana, na ho an’ny Sekoly Sabata

Gropy: _______________________ Daty nivoahana:____________________Toerana sy tanjon’ilay fivoahana: ______________________________________________

95

Page 96: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

f. Mambra mavitriky ny komity mpitantan’ny Mpisantatra, ny Mpisavalalana, ny klioban’ny Tanora, ny Sekoly Sabata na ny fikambanana tanora nandritra ny taona iray farafahakeliny, ary nanatrika ny 75%n’ny fivoriana farafahakeliny

Ho fanamarihana fa ______________________________ dia nahavita ny andraikiny amin’ny maha-mambran’ny komity mpitantana ny ___________________ nandritra ny iray taona farafahakeliny. Nandray anjara mavitrika amin’ny fivoriana ara-dalana nataon’ny fikambanana izy ary nitana toerana manan-danja nandritra ny fivoriana famolavolana tetik’asa nataon’ny komity _________________________ __________________

Sonian’ny direktora / pasitora sns Daty nahavitana azy

3. Milazà anjara telo raisinao eo amin’ny fiainana, ny iray amin’ireo dia izay misy ifandraisany amin’ny ara-panahy, ary ataovy lisitra ny tanjon’ny tsirairay avy amin’ireo

“Ny tanjona dia ny “Fiafarana” izay anatodihantsika ezaka maromaro hanatrarana azy”.

Eto ny atao hoe “Fiafarana” dia ny hahatratra vokatra ara-dalana sy azo tsapain-tanana tiana ho azo ary ny faniriana ny hampitombo ezaka hanatrarana azy.

Ny karazana sy habetsakin’ny ezaka matetika dia hampifandraisina amin’ilay tanjona, izany hoe tsy maintsy fantatra ny tombony sy ny mety ho fatiantoka. Ny fomba hitsaranao na mendrika ho tratrarina na tsia ny tanjona apetrakao dia amin’ny alalan’ny fanaovana tetik’ady sy fandinihina tsara ny singa rehetra ao anatin’ilay tanjona. Ny fianarana mandinika ireo singa ireo hanampy anao hikajikajy ny fatiantoka sy ny tombony.

Tsy maintsy misy zava-bita. “Inona no vokany andrasako ho azo avy amin’ny zavatra ataoko?”

Ohatra: “Tiako hampitomboana 20% ny isan’ny mambra ao amin’ny kliobako”. Mety ho tianao ny hanambara ny zava-bitanao amin’ny matoanteny manambara hetsika.

Azo atao ny mandrefy ny zava-bita. “Ahoana no hahalalako ny fotoana hanatrarako ny zava-bita?” “Inona no marika ilaiko hahafantarako fa efa tratrako ny tanjona ?”

Ohatra: 12 ny isan’ny mambra tamin’ny oktobra, 14 tamin’ny janoary ary 15 tamin’ny marsa

Ny lafiny fotoana : “Rahoviana marina no tiako hanatrarana ny tanjona ?” Manana anjara asa lehibe toy ny singa hafa ny fanondroana daty sy fotoana voafaritra tsara tianao hilazana fa tratranao ny tanjona.

Ohatra: “Tsy maintsy tratrako ny 85% n’ny tanjona alohan’ny 30 janoary, 2003”.

Fijerena ny mety ho fandaniana: “Manao ahoana ny fandaniana ambony indrindra (eo amin’ny fotoana, vola sy ny fitaovana hafa) izay hataoko hanatrarako ity tanjona ity ?” Manao ahoana ny vidin’ny ezaka nataoko amin’ny fotoana anatrarako ilay tanjona ? Ny faneren’ny fotoana sy ny fandaniana dia hanery anao hametraka tombambidy amin’ny zava-bita.

96

Page 97: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

Ohatra: Ny hanatrarana ny fitomboan’ny hetsika eo anivon’ny klioba dia ny fanaovan’ny mambra hetsika misy heviny maromaro hatrany sy ny hery manosika azy hanao izany.

Ny atao hoe tanjona dia tetik’asa voafaritra sy azo refesina hotratrarina ao anatin’ny fotoana voafaritra sy amin’ny faneren’ny fandaniana voafaritra manokana.

Mamarita anjara asa telo tananao eo amin’ny fiainanao ankehitriny ary ataovy lisitra ny tanjona telo avy amin'ny tsirairay:

Anjara asa 1 _______________________________________________________________

Tanjona 1_______________________________________________________________Tanjona 2_______________________________________________________________Tanjona 3_______________________________________________________________

Anjara asa 2_______________________________________________________________

Tanjona 1_______________________________________________________________Tanjona 2_______________________________________________________________Tanjona 3_______________________________________________________________

Anjara asa 3 _______________________________________________________________

Tanjona 1_______________________________________________________________Tanjona 2_______________________________________________________________Tanjona 3_______________________________________________________________

Naoty:

97

Page 98: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

Takelaka hofenoina momba ny tanjon’ny ezaka

Rehefa vita avokoa ary azo antoka fa tena zavatra misy ny antsipirihiny rehetra (na ny ankamaroany) amin’ny tanjona dia azo fenoina amin’izay taratasy misy ny “tanjon’ezaka” ity. Tena ilaina izy ity hametrahana an-tsoratra ny ezaka rehetra hanatrarana ny tanjona.

Anjara asa: _______________________________________________________________

Tanjona: _____________ Foto-kevitra iaingan’ny tanjona: ______________________________________________________________________________________________________________________________________________________________

Hetsika: (Dingana/Ambaratonga/Fizaran’asa) Fe-potoana:1. ___________________________ 1. ______________________________

2. ___________________________ 2. ______________________________

3. ___________________________ 3. ______________________________

4. ____________________________ 4. ______________________________

Vokatra noheverina ho tratra (fandrefesana ny fahombiazana) : Vokatra eo no ho eo: _________________________________________________

Fe-potoana lava: _____________________________________________________

Sakana / Fandrarana:________________________________________________________________________________________________________________________________________

Fandaniana (Vola, olona, fotoana):_____________________________________________________________________

Tompon’andraikitra: Daty nahatanterahana azy:_____________________________________ ________________________________

VI- Fivelarana eo amin’ny fomba fiaina ara-pahasalamana

Mandray anjara amin’ny fandaharana fikarakaram-batana mandritra ny telo volana farafahakeliny, ary manombatombana ny fitomboan’ny fahatsaran’ny toe-batana

Ankoatry ny torohevitra omena amin’ity boky ity dia mety hirinao ny hividy ny boky farany momba ny fahasalamana ara-batana natontan’i Kenneth H. Cooper sy manaraka izay voalaza ao anatiny. (Efa voatonta amin’ny fitenim-pirenena maro ireo boky ireo). Azo ampiasaina ho amin’ny fanetsiketsehana ihany koa ny asa manavanana momba ny sakafo ara-pahasalamana, fikarakarana ny vatana, ny fanarahana tari-dalana toy ny tsongo-dia, ny volana aman-kintana mba hahatongavana amin’ny toerana iray “orientation”, dia an-tongotra lavitra, fandehanana bisikileta.

98

Page 99: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

Sasi-teny“Araka ny efa fantatr’ireo olona mpamaky ny boky momba ny aerôbika

(fanatanjahan-tena) nosoratako teny aloha, dia ny zavatra tena ifantohana dia ny fampitomboana ny fihetsiketsehana ara-batana. Saingy araky ny fitombo ny fahalalana eo amin’ity sehatra ity dia miharihary fa ny tena fahasalamana dia miankina betsaka amin’ny zavatra maro ankoatry ny fanatanjahan-tena isan’andro. Nisy fotoana niheverako fa mahasolo ny fahazaran-dratsy eo amin’ny ara-pahasalamana ny fanaovana izany ary mahatsiaro meloka aho tamin’ny nilazako fa afaka mandresy maro, raha tsy hoe izy rehetra, amin’ny fiantraikany ratsy eo amin’ny fihinanana sakafo tsy zarizary ny fanatanjahan-tena. Raha misy olona iray mifoka sigara sy mitombo lanja dia resy lahatra aho fa hanampy azy hanova ny fahazaran-dratsiny ara-pahasalamana ny fanatanjahan-tena. Kanefa dia hitako tamin’ny toe-javatra maro nitranga fa ny olona matavy sy ireo zatra mifoka sigara dia manana aretin’ny lalan-drà sy areti-po, na dia mihazakazaka foana aza izy. Amin’izany anefa dia mety hanatara ny fihomboan’ny aretina sy manalava ny andro iainana fotsiny ny fanatanjahan-tena fa tsy miaro tanteraka. Raha ny fahalalako azy dia tsy mbola misy na inona na inona eo am-pelatanan’olombelona izay maharo tanteraka amin’ny areti-po, na fanafody, na fandidiana, eny fa na ny fihazakazahana lavitra.

“Fitsipi-piainana iray hafa tsindriana ao amin’io boky io ihany koa ny fahalana onony. Ny fomba fijery ialoha manao hoe : “Raha misy zavatra tsara dia ho tsara kokoa raha atao betsaka kokoa” dia ametraham-panontaniana tokoa ankehitriny raha toa ka fomba fisakafo manasatra na hazakazaka lavitr’ezaka. Mahagaga ireo mpamaky ny boky momba ny fanatanjahan-tena tany aloha ny filazana fa “raha mihazakazaka mihoatry ny maily 3 (= 5km) in-dimy isan-kerinandro ianao, dia mihazakazaka amin’ny zavatra hafa nohon’ny fitaizam-batana”. Na dia izany aza, nandritra ny folo taona lasa dia azo natao ny namaritra ny fanombohan’ny hetsika ara-batana izay hitondra fiovana mahasoa eo amin’ny fomba fiasan’ny fo sy ny fetran’ny fihetsehana izay hisy voka-dratsy raha ihoarana. Lazaiko mialoha fa ireo fahalalana ara-tsiantifika hanohanana io fanombohana sy fetra io dia hanaitra tokoa fa tsy azo odian-tsy hita.

“Zara raha nokasihintsika koa ny resaka fikarakarana ara-pahasalamana sy ny fiarovana amin’ny aretina. Ary satria maro no mahakasik’ireo foto-kevitra ireny dia hitombo betsaka ny fahatsarana sy ny halavan’ny fiainana. Rehefa misy olona maty dia voalaza fa tsy ny aretina itsy na izaroa no nahafaty azy fa ny fiainany manontolo mihitsy. Azo ovana anefa izany raha misy ny famporisihina, fanabeazana ary ny fampiharana. Ny hany azoko atao ato amin’ity boky ity anefa dia ny hanampy amin’ny fanabeazana sy ny famporisihina : ianao mpamaky no tompon’andraikitra amin’ny fampiharana.

“Mba hanatrarana ity fahasalamana tanteraka ity dia tena ho fahadisoana lehibe ho ahy raha toa ka tsy tsindriako manokana ny ampahany iray tena manan-danja indrindra dia ny fahasalamana ara-panahy. “Fa mahasoa kely ihany ny fampiasana ny tena ; fa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra no mahasoa amin’ny zavatra rehetra ka manana ny teny fikasana ny amin’ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa”. (1 Tim.4:8)

Refina kalôria avy amin’ny sakafo sy zava-pisotro mamim-bahoaka

99

Page 100: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

SAKAFO FATRA Tombatombana Kaloria

Amande (karazam-boankazo)PaomaRanona paoma (jus)Paisom-bazahaAsiperzaZavokaMofo (boribory toy ny peratra)AkondroKabaroMofo vita avy @ karazambarim-bazahaPain completMofo dipaina tsotraBroccoliDiberaKaraotyChoufleurSeleryVoanjavamaniry toy ny :- vary (bran flakes)- katsaka (corn flakes)FromazyAtodyOvyRononoVoatabiaCassisChoux de Brussels (karazana laisoa kely maitso tanora)

Voany 12-151 salantsalany¾ kaopy2-3 salantsalanyraviny 5-6½11 kely5/8 kapoakadidiny iraydidiny iraydidiny iraytahony 1 (14 cm)1 sotrokely1 lehibebe na 2 kelikely1 kaopytahony 1 (13 cm)

1 kapoaka1 kapoaka28 grama11 masakaronono velona 2 kaopy1 kelikely1 kaopy9 kelikely

9087875126185165851115656623210842273

1061101128090320358745

100

Page 101: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

Fifaninanana mandeha tongotra / mihazakazaka Halaviran-dalana vita anatin’ny 12 minitra

SOKAJY TAONA13-19 20-29 30-39 40-49 50-59 60 +

I. Ratsy be (lehilahy) (vehivavy)

1.30* 1.0

1.22 .96

1.18 .94

1.14 .88

1.03 .84

.87 .78

II. Ratsy (lehilahy) (vehivavy)

1.30 – 1.371.00 – 1.18

1.22 – 1.31.96 – 1.11

1.18 – 1.30.95 – 1.05

1.14 – 1.24.88 - .98

1.03 – 1.16.84 - .93

.87 – 1.02

.78 - .86III. Eo ho eo (lehilahy) (vehivavy)

1.38 – 1.56.19 – 1.29

1.32 – 1.49

1.12 – 1.22

1.31 – 1.451.06 – 1.18

1.25 – 1.39.99 – 1.11

1.17 – 1.30.94 – 1.05

1.03 – 1.20.87 - .98

IV. Tsara (lehilahy) (vehivavy)

1.57 – 1.721.30 - 1.43

1.50 – 1.641.23 – 1.34

1.46 – 1.561.19 – 1.29

1.40 – 1.531.12 – 1.24

1.31– 1.441.06 – 1.18

1.21 – 1.32.99 – 1.09

V. Tsara be (lehilahy) (vehivavy)

1.73 – 1.861.44 – 1.51

1.65 – 1.761.35 – 1.45

1.57 – 1.691.30 – 1.39

1.54 – 1.651.25 – 1.34

1.45 – 1.581.19 – 1.30

1.33– 1.551.10 – 1.18

VI. Faran’izay tsara (lehilahy) 1.87 1.77 1.70 1.66 1.59 1.56* ny dikan’ny dia latsaky …. ny ary ny kosa dia mihoatra ny …Fifaninana mihazakazaka halavirana 2,4 km.Minitra no hikaontiana ny fotoana

SOKAJY TAONA13-19 20-29 30-39 40-49 50-59 60 +

I. Ratsy be (lehilahy) (vehivavy)

15:31* 18:31

16:01 19:01

16:31 19:31

17:31 20:01

19:01 20:31

20:01 21:31

II. Ratsy (lehilahy) (vehivavy)

12:11 – 15:3016:55 – 18:30

14:01 – 16:0018:31 – 19:00

14:46 – 16:3019:01 – 19:30

15:36 – 17:3019:31 – 20:00

17:01 – 19:0020:01 – 20:30

19:01 – 20:0020:31 – 21:30

III. Eo ho eo (lehilahy) (vehivavy)

10:49 – 12:1014:31 – 16:54

12:01 – 14:0015:55 – 18:30

12:31 – 14:4516:31 – 19:00

13:01 – 15:3517:31 – 19:30

14:31 – 17:0019:01 – 20:00

16:16 – 19:0019:31 – 20:30

IV. Tsara (lehilahy) (vehivavy)

9:41 – 10:4812:30 – 14:30

10:46 – 12:0013:31 – 15:54

11:01 – 12:3014:31 – 16:30

11:31 – 13:0015:56 – 17:30

12:31 – 14:3016:31 – 19:00

14:00 – 16:1517:31 – 19:30

V. Tsara be (lehilahy) (vehivavy)

8:37 – 9:4011:50 – 12:29

9:45 – 10:4512:30 – 13:30

10:00 – 11:0013:00 – 14:30

10:30 – 11:3013:45 – 15:55

11:00 – 12:3014:30 – 16:30

11:15 – 13:5916:30 – 17:30

VI. Faran’izay tsara (lehilahy) (vehivavy)

8:37 11:50

9:45 12:30

10:00 13:00

10:30 13:45

11:00 14:30

11:15 16:30

101

Page 102: TENY FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/fil…  · Web view · 2013-01-29Tsy nitsahatra nampiroborobo ny resaka fahasalamana sy tsy fihinanan-kena izy

102