28
FIHAONANA AN-TAMPONY 2015 FENITRY NY FIRENENENA AMIN’ NY FARITRA ATSIMON’I AFRIKA MOMBA NY MIRALENTA SY FAMPANDROSOANA SY NY LOKANY TARATASY FANDRAISANA ANJARA FAMONGORANA NY HERISETRA SY LAMINASA AORIAN’NY 2015 Ity amboara ity dia atolotra ho fankasitrahana ny fomba tsara eo anivon’ny fiarahamonina sy ny firenena hahatratrarana ny tanjon’ny fenitry ny SADC mikasika ny Miralenta sy Fampandrosoana izay mitaky amin’ny Firenena Mpikambana ny fampihenana amin’ny antsasany ny tahan’ny herisetra atao amin’ny vehivavy mandra-pihavin’ny taona 2015. Voakasik’izany ny fisorohana,ny setry,ny tantsoroka na ny fomba fiantrehana mifandray tendro toy ny 365 andro iadiana amin’ny herisetra, ny drafitrasa nasionaly hamongorana ny herisetra. Ity loaka ity dia natao hampisongadinana ireo fomba fiasa enti- manavao hisorohana ny herisetra sy hahafahana mitondra fandinihana mpisava lalana mikasika ny laminasa aorian’ny taona 2015. Centre d’Ecoute et Conseils Juridiques : Mandray, Mihaino ary manampy ami’ny fikaroham-bahaolana an’ireo iharan’ny herisetra. 1. FAFAN’NY POROFO : Ampidiro eto ny porofon’ ny tetikasanao . Ampidiro eto (téléchargez-na omeo ny rohy ) . Raha nalefa tany amin’ny biraon i GL ,dia lazao eto. * SEHATRA POROFO Politika Lalàna 1-: Protocole SDC; 2-:CEDAW;3-:Constitution Malagasy;4-:Lois 2007 relative aux droits de la famille Taratasy Tatitra amin ‘ny haino Tsia

genderlinks.org.zagenderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/articles/... · Web viewFIHAONANA AN-TAMPONY 2015 FENITRY NY FIRENENENA AMIN’ NY FARITRA ATSIMON’I AFRIKA MOMBA

Embed Size (px)

Citation preview

FIHAONANA AN-TAMPONY 2015 FENITRY NY FIRENENENA AMIN’ NY FARITRA ATSIMON’I

AFRIKA MOMBA NY MIRALENTA SY FAMPANDROSOANA SY NY LOKANYTARATASY FANDRAISANA ANJARAFAMONGORANA NY HERISETRA SY

LAMINASA AORIAN’NY 2015Ity amboara ity dia atolotra ho fankasitrahana ny fomba tsara eo anivon’ny fiarahamonina sy ny firenena hahatratrarana ny tanjon’ny fenitry ny SADC mikasika ny Miralenta sy Fampandrosoana izay mitaky amin’ny Firenena Mpikambana ny fampihenana amin’ny antsasany ny tahan’ny herisetra atao amin’ny vehivavy mandra-pihavin’ny taona 2015. Voakasik’izany ny fisorohana,ny setry,ny tantsoroka na ny fomba fiantrehana mifandray tendro toy ny 365 andro iadiana amin’ny herisetra, ny drafitrasa nasionaly hamongorana ny herisetra. Ity loaka ity dia natao hampisongadinana ireo fomba fiasa enti-manavao hisorohana ny herisetra sy hahafahana mitondra fandinihana mpisava lalana mikasika ny laminasa aorian’ny taona 2015.

Centre d’Ecoute et Conseils Juridiques : Mandray, Mihaino ary manampy ami’ny fikaroham-bahaolana an’ireo iharan’ny herisetra.

1. FAFAN’NY POROFO : Ampidiro eto ny porofon’ ny tetikasanao . Ampidiro

eto (téléchargez-na omeo ny rohy ) . Raha nalefa tany amin’ny biraon i GL ,dia lazao eto.  *

SEHATRA POROFOPolitikaLalàna 1-: Protocole SDC; 2-:CEDAW;3-:Constitution Malagasy;4-:Lois 2007 relative

aux droits de la familleTaratasyTatitra amin ‘ny haino amanjery

Tsia

Famelabelarana ambava na-an tsoratra

Tsia

Boky kely

Pamphlets

Hafa

2. FANOLORANA NY ASA NATAO

Famintinana*Ny Centre d’écoute et conseils Juridiques dia ivon-toerana natao hihainoana sy fampandraisana an-tanana ny olona izay iharan’ny herisetra na/sy iharan’ny tsindry hazo lena sy ny tsy rariny. Ny fikambanana CAFF no miandraikitra io ivotoerana io raha ny eto Fianarantsoa.

- Fiahainoana sy fampandraisana an-tanana ny olona iharan’ny herisetra sy iharan’ny tsindry hazo lena

- Fampahafantarana sy Fandresen-dahatra ireo manampahefana sy ny tompon’andraikitra eny ifotony (palidoyer)

- Fanentanana eny anivon’ny Firaisana (commune), Fokontany, sekoly, Fikambanana

- Fiaraha-miasa amin’ny tambazotra miady amin’ny herisetra- Fidinana ifotony na ny visite à domicile

Azo lazaina fa nahomby io tetik’asa io satria - Nitombo ireo vehivavy na lehilahy sahy miteny sy mamaky batsilana

(briser la glasse)- Hita ny fandraisana andraikitra ataon’ireo manampahefana eny ifotony

amin’ny fanentanana sy ny fandraisana ary ny familiana momba ireo disadisa sy olam-piarahamonina ao amin’ny toerana iadidiany

- 80% amin’ireo olona noraisina teto amin’ny CECJ no afa-po nandritry ny fandraisana azy

Tanjona fototra * Fametrahana ny fitoviana eo amin’ny lahy sy ny vavy ka ho samy mandray

andraikitra ny tsirairay Hampihena ny herisetra mahazo ny vehivavy sy ny ankizivavy ary ny

lehilahy Hampahafantarana ireo paikady hiadiana , sy ny lalana rehetra mikasika

ny herisetra Hampahafantarana ny atao hoe herisetra, ny karazanany, ary ny

vokadratsiny ny tsirairay Hankaherezana hatrany ireo izay niharan’ny herisetra sy ny tsy rariny Fampahafantarana ny zon’ny tsirairay manoloana ny tranga ara-tsosialy sy

ara-piarahamonina Fahafantaran’ny vehivavy sy ny lehilahy ny tontolo manodidina ny

olana ara-piarahamonina sy ny hafahana misoroka izany mialoha Fandraisana anjaran’ny vehivavy sy ny lehilahy amin'ny fisorohana

ady sy fametrahana fandriampahalemena Fisorohana ny fanararaotana ary fiarovana ny vehivavy sy ny ankizy

vavy Fampahatsiarovan-tena ireo mpanao herisetra ka hiova toetra Mba ho resy lahatra ny rehetra fa tsy mitondra fandrosoana ny

fanaovana herisetra

Hodidina na zava-nisy niaingana * Maro ireo tranga herisetra sy tsy rariny eny anivon’ny fiaraha-monina

Mbola maro ireo tsy mahasahy miteny sy manao vaky batsilana ny tranga herisetra ka liana fanentanana na amin’ny iharany na amin’ny manodidina.

Mbola ambany ny tahan’ny fampiharan-dalana eto amin’ny tany sy ny fanjakana

Ny fisian’ny fampiasan-kery sy ny didin’ny be sandry Fahatsapana fa moramora kokoa ny hizorana amin’ny fampandrosoana

raha mifanome Tanana ny lahy sy ny vavy amin’ny fandraisana andraikitra sy fanapahakevitra fa tsy hametraka ny vehivavy ho vesatra eo anivon’ny fiaraha-monina

Maro ireo fotom-pisainana sy fomba amam-panao na finoana mametraka ny fahasamihafana eo anivon’ny fiaraha-monina

Maro ireo hita fa osa sy marefo eo anivon’ny fiaraha-monina ka mila fiarovana sy fanampiana

Maro ireo zaza tsy misy ray mpiahy hany ka lasa vesatra ho an’ny reniny samirery

Mbola maro ny olom-pirenena no tsy mahafantatra mazava tsara ny zony sy ny tokony hataony manoloana ny tranga iray.

Maro ireo vehivavy no tsy misitraka zo mitovy amin’ny lehilahy nohon’ny antony maro ara_piarahamonina.

Misy ny soatoavina sy ny kolontsaina ny toerana izay tsy mifanaraka amin’ny lalana misy ka zary miteraka herisetra sy fanitsakitsahana zo.

Fahatsapako ho adidy ahy amin’ny fanatratrarana ny tanjonan’ ny taona 2015 ny mba hampihena sy hampisasaka ireo trangana herisetra mahazo ny vehivavy sy ny ankizivavy.

Tsy ampy any an-tsekoly intsony ny fampianarana ny fiainana maha olom-pirenena(education citoyenne) sy ny zon’olombelona izay anisany fototra amin’ny fampandrosoana ka mila fanantevenan’ny mpiatsehatra amin’ny zon’olombelona.

Ho fisorohana amin’ny fisian’ny herisetra fa Aleo misoroka toy izay mitsabo.

Hetsika fototra *Fisorohana sy fanentanana :

- Fanentanana sy fahampahafantarana eny anivon’ny Fokontany sy kaominina ny zo, adidy, andraikitra, ny herisetra sy ny karazana herisetra ary ny tokony hatao raha misy tranga herisetra eny anivon’ny fiaraha-monina.

- Fampahafantarana ny manam-pahefana ifotony momban’ny herisetra sy ny andraikitr’izy ireo raha misy tranga eny anivon’ny fiaraha-monina misy azy.

- Fananganana sy fampiofanana ny cellule d’éveille any anivon’ny fokotany sy ny kaominina manodidina

- Fanentanana sy fahampafantarana ary fampianarana eny amin’ny sekoly sy fikambanana mpiara-miasa ny zon’olombelona, ny maha-olom-pirenena, ireo karazana herisetra.

- Fampahafantarana ny ivon-toerana CECJ sy ny asa ataony.

Fiatrehana   : Fandraisana ireo tranga herisetra tonga any amin’ny centre :- Fandraisana sy fametrahana ny fifampitokisana amin’ireo olona tonga

mitaraina ao amin’ny CECJ (accueil)- Fihainoana sy fifampiresahana momba ireo olana sy fototr’olana

- Fiantsoana na/sy fitsidihana ifotony, fihainoana ireo karazan’olona voakasiky ny olana (convocation, descente sur terrain, visite à domicile)

- Familiana na/sy fananterana ilay tranga amin’ny manam-pahefana sahaza azy (orientation vers autorité compétente) Dokotera, mpitandro filaminana, fitsarana, Mpitsirik’asa sns

- Fandrafetana ny tatitra an-tsoratra mikasika ny fihainoana ilay olona niharan’ny herisetra mba tsy hiverimberenan’ny fihainoana azy ka hampiaina azy ilay tranga nisy

- Fanomezana rariny sy fankaherezana ireo izay niharan’ny herisetra sy tsindry hazo lena.

- Fampihaonana sy fampihavanana ny olona na vondron’olona izay voakasiky ny olana na disadisam-piaraha-monina.

- Fiarahana mikatsaka vahaolana manoloana ilay olana misy.- Fanaovana taratasy fifanarahana mikasika izay zavatra tapaka

nandritry ny fifampiresahana.- Fanasitranana sy famerenana eo anivon’ny fiaraha-monina ary

fananganana tetik’asam-piainana amin’ny

Fanaraha-maso   : - Fanaraha-maso ireo zavatra tapaka (oh :fanaovana carnet fandoavana

ny fandraisana anjaran’ny lehilahy ny zanany)- Fijerena sy fanaraha-maso ny fivoaran’ny tetik’asam-piaraha-monina

najoro- Firesahana matetika amin’izay voakasiky ny olana

Fiarahamiasa sy fanorenana tambazotra *- Fiaraha-miasa akaiky amin’ny Ministeran’ny Mponina, ny fiahiana ara-

tsosialy ary fampivoarana ny vehivavy izay Ministera mpiahy ny tetik’asa sy ny UNFPA amin’ny fampitaovana ny tetik’asa

- Fisian’ny fiaraha-miasa amin’ny tambazotra miady amin’ny herisetra eo anivon’ny faritra sy eto anivon’ny firenena.

- Fiaraha-miasa amin’ny sampan-draharaha maro eto anivon’ny faritra toy ny Hopitaly sy CSB II manerana ny kaominina iasana, ny Polisy miaro ny zaza tsy ampy taona, ny Mpitandro filaminana, ny Mpitsara misahana ny zaza tsy ampy taona, ny fitsarana, sns

- Fiaraha-miasa amin’ny tambazotra miaro ny zon’olombelona.- Fiaraha-miasa amin’ny ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahan-tena.- Fiaraha-miasa amin’ny fikambanana sy tetik’asa maro eto anivon’ny

faritra.- Fiaraha-miasa amin’ny tambazotra miaro ny ankizy- Fiaraha-miasa amin’ny manam-pahefana sy Fokotany miisa dimampolo

manerana ny kaomina ambonivohitry ny fianarantsoa- Fiaraha-miasa amin’ny kaominina ambanivohitra ao anatin’ny distrika

Isandra, Vohibato, lalangina.- Fametrahana ny Cellules d’éveille izay maso ivohon’ny CECJ eny anivon’ny

koaminina sy ny fokotany ary ny fiarahamonim-pirenena izay mpiara-miasa

- Fananganana ny club des jeunes pour la paix manerana ny fokontany maromaro eo anivon’ny kaominina ambonivohitry Fianarantsoa.

- Vondrom-pikambanana Collectif des associations des Femmes de Fianarantsoa izay ivondronan’ny fikambanana 30 mahery eto Fianarantsoa

- Fiaraha-miasa amin’ny CEDII izay ivon-toerana natao hifanakalozana vavao.

Porofo *1- en tête Contrat CAFF/MPAS

MINISTERE DE LA POPULATION ET DES AFFAIRES SOCIALES----------------------

SECRETARIAT GENERAL------------------

DIRECTION GENERALE DE LA PROTECTION SOCIALE, DU GENRE, DE LA FAMILLE ET DE L’ENFANCE

-----------Produit 4.2: Capacités nationales de lutte contre la violence basée sur le genre et d’offre de services de

qualité renforcées, y compris dans des contextes humanitaires----------------------------------

Entre

LE MINISTERE DE LA POPULATION ET DES AFFAIRES SOCIALESet

LE COLLECTIF DES ASSOCIATIONS DE FEMMES DE FIANARANTSOA

Etabli dans le cadre de la mise en œuvre du 6ème Programme de Coopération Madagascar – UNFPA, en vertu du Memorandum d’accord signé le 23 mars 2012 avec le Ministère de la Population et des Affaires Sociales pour la mise en œuvre du Plan de Travail 2013

CONTRAT DE SOUS-TRAITANCEEntre

“ LE MINISTERE DE LA POPULATION ET DES AFFAIRES SOCIALES ”, représenté par le Directeur Général de la Protection Sociale, du Genre, de la famille et de l’Enfance, Monsieur ANDRIAMBOAHANGY RAMANDASOA Jaona, ci-après dénommé le Directeur National du Projet

Contrat de sous-Contrat de sous-traitancetraitance

et L’ADDH, représentée par la Présidente Madame RANIRISOARIFIDY Jeanine Pascale, situé à Fianarantsoa gérant le centre d’écoute et de conseil juridique de Fianarantsoa, ci après dénommée le sous contractant

2- Karatry ny mpikambana ao amin’ny tambazotra fiarovana ny ankizy

3- mari-pakasitrahana nandritry ny fiofanana niarahana tamin’ny ministera mpiahy sy ny UNFPA

4- marim-pakasitrahana nandritry ny fandraisana anjara tamin’ny symposium des jeunes niaraka tamin’ny Ministeran’ny tanora sy fanatanjahan-tena

5- Protocole CAFF/DRPPSPF 6- Protocole CAFF/PMP

Fitsinjarana ny sora-bola *

Sora-bola Ariary (farito )

Sora-bola manokana ho any miralentaNy miralenta ao amina tetikasa fototra (farito mazava )

24 800 000 Ariary tamin’ny taona 2013

Fampandehanan-draharaha sy fividianana ny kojakoja ilaina ao amin’ny foibe

Sora-bola na zavatra natolotry ny fikambanana mpiara-miasa sy mpiara-miombona antoka (Farito mazava )

Tsy misy

24 800 000 Ariary mandritra ny iray taona

TotalinyMpahazo tombotsoa (isany)*

Sokajy Vavy Lahy Totaliny % vavyMpahazo tombotsoa mivantana

523 367 890 58.76%

Mpahazo tombotsoa ankolaka 50 13 63 79.36%Mpahazo tombotsoa en ligne (ohatra fidirana amin’ny tranokala,lisitry ny famparihahana,lahatsoratra fampianarana )

165 148 313 52.71%

Totaliny 738 528 1266 58.29%

Olana nosedraina * Fampitana sy famoizana hevitra ary fampianarana momba ny zo sy ny

adidy izay mifanohitra amin’ny soatoavina sy ny fomban-tany. Misy ireo olona tonga mitsidika no maratra sy mila fitsaboana maika nefa

ilay olona tsy manam-bola, ny teti-bola natokana ho an’izany nefa tsy ampy ka tsy maintsy mandray andraikitra ny Intervenants sociaux.

Fahatoranan’ilay olona tonga rehefa nihetsika ny aretina mahazo azy. Misy ny olona mamo no tonga ao amin’ny CECJ ka manahirana satria

mikotaba sy tsy mety mivoaka ny birao. Ny fandriam-pahalemana eo amin’ny fanatanterahana ny asa mandritry

ny fanaovana fidinana ifotony na amin’ny fanatanterahana ny fitsidihana tokatrano na amin’ny fanentanana izay tena mampitaintaina.

Ny Fahataran’ny famatsiam-bola izay miteraka fitohanana sy fahatarana eo amin’ny fanatanterahana ny asa.

Ny fandraisan’ny olona sasany ny fiantsoana midika ho fitoriana hany ka tonga izy dia mitady olona hanampy azy na avy hatrany dia mampiakatra ny raharaha eny amin’ny fitsarana na amin’ny mpitandro filaminana

Ireo olona miverina amin’ny fanapaha-kevitra ka manaiky fifanarahana hafa (arrangement) na mijanona antenantenany amin’ny fifampiresahana sy fikaroham-bahaolana (desistement)

Misy koa ireo raharaha miakatra fitsarana dia tsy maha afa-po ny niaram-boina ny valiny dia mahatonga ny olona tsy hatoky ka manjary manaiky

tsy fidiny ny raharaham-piahavanana mba tsy ho resy na hiala maina araka ny tenin’izy ireo

Maro ireo mbola tsy sahy mamoaka ny olana mahazo azy na mafy aza noho ny tahotra na ny henatra ka olona hafa no mampilaza anay dia sahirana foana izahay amin’ny fandraisana tanana an’ireo olona voan’ny herisetra ireo izay tsy maintsy any an-tranony no hamonjena azy

Misy koa ireo raim-pianakaviana manao fanekena fa hanao adidy amin’ny vady aman-janany nefa avy eo tsy hita ry zareo ary misy aza ireo miala amin’ny asany mihintsy

Fanarahamaso sy tombanezaka * Fiantsoana ireo olona heverina fa nanao ny herisetra izay mihevitra foana

fa fahefany ny manao herisetra amin’ireo zanany na amin’y vadiny ka masiaka sy mahay vava be rehefa toroana ny marina sy ny ara-drariny

Misy ireo niharan’ny herisetra mila fitsaboana na fandehanana any amin’ny mpitsabo no tsy manana ny enti-manana amin’izany ka olana ho an’ny mpanentana ny famahana izany

Misy aminireo manana olana koa miverina amin’ny hevitra notapahina ka manaiky fifanarahana hafa (arrangement) na miala koa tsy manohy ny famahana olana efa novolavolaina miaraka (desistement)

Na misy aza io famatsiana vola io dia tsy tonga ara-potoana foana io ka manimba ny fanatanterahana ny asa efa voa rafitra sy voalamina ara-potoana.

Misy koa ireo raharaha miakatra fitsarana dia tsy maha afa-po ny niaram-boina ny valiny dia mahatonga ny olona tsy hatoky ka manjary manaiky tsy fidiny ny raharaham-piahavanana mba tsy ho resy na hiala maina araka ny tenin’izy ireo

Maro ireo mbola tsy sahy mamoaka ny olana mahazo azy na mafy aza noho ny tahotra na ny henatra ka olona hafa no mampilaza anay dia sahirana foana izahay amin’ny fandraisana tanana an’ireo olona voan’ny herisetra ireo izay tsy maintsy any an-tranony no hamonjena azy

Tsy vitsy koa ny mandainga ka mila fitandremana ary misy koa ireo izay manaiky ny fandaminana nifanarahana nefa tsy manatanteraka izany

Misy koa ireo raim-pianakaviana manao fanekena fa hanao adidy amin’ny vady aman-janany nefa avy eo tsy hita ry zareo ary misy aza ireo miala amin’ny asany mihintsy

Misy ny mamo sy ireo manana toetra tsy mendrika tonga mamonjy anao dia manindry fo sy manampina sofina indraindray rehefa tsy te hihaino ny teny mamoha fady

Fanaraha-maso sy tombana* Misy ny cahier fandraisana ireo olona tonga mitsidika ka ireo olona ireo dia

samy efa manana kaody fanamarinana (code), isakin’ny tonga izy dia voaisa izany ary vosoratra avokoa na ny vaoavo entiny na ny vahaolana noraisina ihany koa.

Ireo olona manana olana tonga dia tsy maintsy miverina manao tatitra ny zavatra miseho any amin’izy ireo taorian’ny nandraisana an-tanana azy ireo ka raha tsy mandalo izy ireo fa indrindra fa rehefa olana mety hisy fiantraikany amin’ny aina dia manao fidinana ifotony ny solon-tenan’ny mpanentana mba afantarana ny zava-miseho

Misy ihany koa ny fikirakirana ny antontan’isa na ny base de données ny CECJ mikasika ireo olona nandalo sy noraisina.

Ny famenoan’ny mpiara-miasa eny anivon’ny fokotany na kaominina ny taratasy fampandrenesana na ny fiche de signalement.

Maro ireo olona noraisinay an-tanana tonga misaotra, maneho fankasitrahana noho ny fahitan’izy ireo fahombiazana sy vahaolana tsara tamin’ny fiainan’izy ireo

Noho ny fiarahanay miasa amin’ny hafa dia ireny koa no manao tatitra sy fankasitrahana noho ny asa tsara vitan’ny CECJ teo amin’ny fanampiana ny mpiara-belona ho famahana ny olana nahazo azy ireo fa indrindra ny fihenan’ny herisetra sy ny tsy fandriampahalemana

Manao fivoriana isam-bolana izahay mpiara-miasa ao amin’ny foibe ka mifanakalo vaovao ny amin’ny nandraisana sy namahana olana ireo olona tonga mitsidika,ireo olana nosedraina teo ampanatanterahana ny asa ary indrindra ireo fomba hita fa nahomby rehefa nandray antanana olona niaran’y herisetra ?

Manao tomban’ezaka ny asa vita indroa isan-taona izahay mba afahana mahita ny tsy mety na ny mety ka hanovana na hanatsarana ny fomba fiasa.

Vokany *Ireo olona tonga nitsidika ny Centre nadritry ny volana Novembre 2014

Nombre des visiteurs Sexe Nombre1- Homme 432- Femme 88Total général 131(Source base de données CECJ Novembre 2014)

- Sekoly 12 no voatety nanaovana fanentanana ka mpianatra maro no voaentana

- Fiangonana miisa 06 no voavangy nanaovana fanentanana momba ny herisetra

- Kaominina ambanivokitra 21 no nahavitana fanentanana momba ny ady amin’ny herisetra.

- Tokatrano 55 no voavangy nandrintra ny taona.- Fokontany 25 amin’ny 50 no nahavitana fanentanana niverenana indroa

avy noho izy ireo nazahoana fitaraina maro mahakasika ny herisetra ary hita ankehitriny fa miova ny fihetsika eny ary mihena ny herisetra.

Fampiharana *

Nombre des hommes visiteurs par motif de la visite

Motif de Visite Nombre Pourcentage1- Simple visiteur 9 20,93%2- Demandeur de renseignement 1 2,33%3- Réponse à une convocation 15 34,88%4- Victime de violence 8 18,60%5- Autres 10 23,26%Total général 43 100,00%

- Iasanay avokoa ny Fokontany miisa 50 eto amin’ny kaominina ambony vohitry Fianarantsoa ary efa nametrahana ny antsoaina hoe Cellules d’Eveilles ao anatin’ireo Fokontany tsirairay ireo izay nahazo Fiofanana miaraka amin’ny Lehiben’ny Fokontany.

- Kaominina ambany vohitra maromaro ao anatin’ny Distrikan’i Vohibato, Lalangina ary isandra no iasan’ny Fikambanana raha toa ka teto anivon’ny kaominina andrenivohitra ihany izany teo aloha.

- Ny Fandraisana sy ny fihainoana izay tanterahan’ny ivon-toerana dia maimaim-poana tanteraka.

Porofo *

Fampahefana ny vehivavy (Fanamamafisana traikefa ) *

Fampiofanana ireo solontenam-pikambanam-behivavy mba hanampiana azy ireo amin’ny fiainany sy ny asa tokony ho ataon’izy ireo hanatsara ny farim-piainany sy koa hamporisika azy ireo handray andraikitra ihany koa: fampiofanana momba ny zon’olombelona fa indrindra ny zon’ny vehivavy sy ny ankizy, momba ireo lalàna velona ampiharina eto Madagasikara sy ireo lalàna iraisam-pirenena ampiharina eto amintsika, momba ny ady amin’ny herisetra, momba ny fahasalamana ara-pananahana, momba ny fitantanana, momba ny fitondrana ifotony, momba ny miralenta, momba ny lalàna amin’ny fanambadiana sy ny fandovana, momba ny lalàna mifehy ny fananan-tany ary indrindra momba ny tokony hasahian’ny

vehivavy hilatsaka ho fidiana na handray andraikitra amin’ny asa hampandrosoana ny tanana sy ny firenena.

Valandresaka maromaro arahina adihevitra momba ny lohahevitra mifandray amin’ny miralenta, ny herisetra ary ny zon’olombelona

Varotra sy fampirantiana haitao/vaovao mba nafahan’ireo vehivavy nanovo vaovao sy fahalalàna sy nafahan’izy ireo nifankalo traikefa

Fandefasana sarimihetsika ahitana herisetra mahazo ny vehivavy sy ny vahaolana niadiana tamin’izany ka nafahan’ilay vehivavy niady sy nanova ny fiainany ho tsaratsara kokoa taty aoriana:ny tanjona tamin’io dia ny nampisehoana ny hoe tsy maintsy voavaha ny olana raha sahy mamaky bantsilana izany ary hiova ny fiainany raha manaiky ny torohevitra

Nampanao fifaninanana vakodrazana sy lahatsoratra momba ny ady amin’ny herisetra sy ny fampiarana ny miralenta izahay

Manao fanentanana faobe eny anivon’ny fokontany sy eny anivon’ny kaominina koa izahay momba ny ady amin’ny herisetra,momba ny tokony hasahian’ireo vehivavy hiditra antsehatra amin’ny asa fampandrosoana rehetra

Porofo *

Lehilahy mitondra fanovana *

Tena nisy ny lehilahy nandray anjara sy nanohana ny hetsika natao:ny Lehiben’ny Faritra eto aminay dia lehilahy ary anisany voalohany manampy anay amin’ny fanomanana ny hetsika rehetra izy,manampy ara-bola sy ara-pitaovana ihany koa(azonay ampiasaina amin’izany hetsika izany maimaimpoana ny trano fivoriana ao amin’ny faritra).Rehefa nampanao fifanianana vakodrazana sy lahatsoratra momba ny ady amin’ny herisetra izahay tamin’ny 2013 dia nanome finday enina izy ho loka hoa anireo vehivavy hoy izy ka izany no atao mba afahan’izy ireo mifandray na koa afahan’izy ireo miantso na mampilaza raha misy trangazavatra manahirana toy ny herisetra

Ny fikambananay dia misy lahy sy vavy ny mpikambana ka ny filoha lefitra roa dia samy lehilahy.Ny iray dia mpanentana ao amin’ny foibe koa no sady anisany mavitrika amin’ny fidinana ifotony rehefa hampanao fampiofanana na fanentanana

Efatra ambinifolo (14) izahay mpanentana sy mpandray olona ao amin’ny foibe ka fito ny vavy ary fito ny lahy ka samy mahaafapo ny olona raisina avokoa ny asanay

Ny ankamaroan’ireo sefo Fokontany izay miara-miasa akaiky amin’ny Centre dia lehilahy ary tena mavitrika izy ireo amin’izany fiaraha-miasa sy fifanomezan-tanana izany.

Ny cellule d’éveille ihany koa dia misy lehilahy izay mavitrika amin’ny fanatanterahana ny adidy nampiatsorohina azy

Porofo *

Fanovana eo anivon ‘ny ankohonana *

Ankohonana maro no niravina ny disadisa sy olana, ka nivonona ny hamolavola lalam-baovaovao hampisy filaminana eo ami’ny toka-trano

Nahafantatra ny zony, ny andraikiny, ny adidin’izy ireo tsirairay ny vavy sy ny lahy eo anivon’ny toka-trano ary nahafantatra ny momban’ny herisetra sy ny sazy miandry ny mpanao azy.

Fiovana teo amin’ny fandraisana fanampahan-kevitra eo anivon’ny ankohonana izay mametraka ny tokony hifampiresahan’ny roa tonta manoloana ny fanapahan-kevitra ho raisina.

Fiovana teo amin’ny fitantanana ao an-tokatrano sy ny fiarahana mikolo mitaiza sy manabe ny ankizy, raha to aka ny iray tamin’ireo Ray aman-dreny no niahy sy namelona samirery ny zaza taloha.

Misy ny fifanajana sy ny fifampizarana ary ny fifampatokisana eo amin’ny pivady ka misy fifaminana sy fandiriam-pahalemana tanteraka ny tokatrano

Voahaja ny lalana mifehy ny fanambadiana na eo amin’y Mpivady na manoloana ny zanaka na eo anatrehan’ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina isan-karazany.

Betsaka ireo ankizy no nisitraka ny zony vokatry ny fandraisana anjaran’ny ankilany ami’ny fiahiana sy ny fikarakarana ny zanany.

Porofo *

Fandraisan’anjaran’ny daholobe *

Fampahafantarana ny zon’olombelona amin’ny alalan’ny fanentanana eny anivon’ny vahoaka momba ny ady amin’ny herisetra,momba ny fampiharana sy ny fanajana ny zo,momba ny fitovian’ny lahy sy ny vavy ary indrindra ny amin’ny samy hamelana malalaka ny vavy sy ny lahy handray andraikitra no natao,nisy koa momba ny fahafahan’ny vehivavy hanana kara-tany na handova ny tany

Midina ifotony eny an-tsekoly,any ampiangonana ary eny amin’ny fokontany manao fanentanana faobe momba ny zon’olombelona,zon’ny vehivavy,zon’ny ankizy:nohazavaina foana ny atao hoe zo,ireo lalàna mifanandrify amin’izany,ny sazy mety mahazo ny tsy manaja izany ary indrindra ny tokony atao hitandrovana sy hiarovana izany lalandava(Aleo misoroka toy izay mitsabo)

Manao fanentanana mivantana ho an’ireo olona tonga ao amin’ny foibe momba ny zon’ny vehivavy sy ny tokony itandrovana izany koa izahay

Mano fanentanana momba ny zon’ny vehivavy amin’ny alalan’ny fanatanteraha valan-dresaka arahina adihevitra koa izahay(anaty trano,ao aminy radio sy TV)VOKATRA

Nisy ny vokatra:maro ireo vehivavy sahy manantona ny foibe mitaraina sy mitady vahaolana ra vao misy manosihosy ny zony,

Ra ny ato amin’ny faritra misy anay dia maro ireo vehivavy resy lahatra sy sahy nirotsaka ho fidiana ho solombavabahoaka teo ka nahazahoana toerana roa amin’ny valo aloha ary izany dia tany amin’ireo tanana lazaina fa tsy manaiky entim-behivavy nefa dia nandany azy ireo.

Efa maro ireo vehivavy manana tany misoratra aminy na koa ireo vehivavy mandova ny tany navelan’ireo ray aman-dreniny(taloha dia anjakan’ireo lehilahy izany lova izany)

Efa maro ireo vehivavy mpandraharaha na miasa tena Maro ireo fikambanana tarihim-behivavy izay manao asa fampandrosoana

sady miroborobo tokoa Nanao fanentanana tany an-tsekoly izahay ka lasa mampanao fikaroa ireo

mpinany momba ny herisetra ny sekoly sasany mba hanamafisana izay nataonay tany

Maro ireo raim-piankaviana voaentana ka manao fifanarahana ao amin’ny foibe amin’ny fanomezana fanampiana ireo vady aman-janany,misy ireo anadahy manaiky ny hanome ny anjara-lovan’ireo anabaviny(tany,trano sns…)

Fanovana teo amin’ny fiarahamonina *

Mihena ireo trangana herisetra:tsapa mantsy fa arakaraka ny tsy fananan’ireo vehivavy enti-manana amin’ny fiainany no mahamaro sy mahamafy ny herisetra mahazo azy (Izay manambola moa no manana ny fahefana mazana:fahefana mividy,fahefana andany,fahefana handatsa sy hibedy sns),koa satria efa maro ny vehivavy miezaka miasa sy tsy miankidoha be lohatra amin’ny lehilahy dia mihena koa ireo fahefana voalaza ety aloha dia mihena koa ny herisetra

Ny fiaraha-monina mahalala ny tokony atao dia avy atrany dia mandray andraikitra ra vao mahita zavatra hafahafa:miteny,mananatra,tsy manafina ary tsy miray tsikombakomba amin’ny ratsy,manao fampandrenesana (taratasy ,antso telefona)

Efa manaiky vehivavy hitondra ny olona ary efa manomboka mifidy vehivavy sy manendry vehivavy:eto amin’ny faritra misy anay dia lehilahy ny lehiben’ny Faritra,vehivavy no sekretera zeneraly ao,ary misy lehilahy iray tale sy vehivavy iray tale koa miaraka aminy ao.Maro ireo vehivavy tale paritra,roa amin’ny valo ny vehivavy solombavabahoaka vao voafidy teo .

Efa maro ireo vehivavy maneho firaisankina sy mifanohana

Ireo sekoly,fokontany ary fiangonana nanaovana fanentanana sy fampiofanana ireny dia mandray andraikitra rehefa mahita trangana tsy fanajana ny zon’ny hafa;raisin’izy ireo an-tanana ny olona ka ra ilaian dia alefan’izy ireo any aminy foibenay hanohizana ny fanampiana azy ireo.Mifanome Tanana ny rehetra ho fiarovana na ho famahana ny olana.

Porofo *

Fiaraha miasa akaiky miaraka amin’ny haino aman-jery * Ny haino aman-jery dia namana satria ireo olona lavitra ny toerana

hiasana dia amin’ny alalan’io no handefasana ny hafatra ho azy ireo, mpamoaka matetika ny asa ataoanay sy ny fanentanana mivantana ataoany koa izy ireo :radio Mampita,radio Tohi-vakana,radio Matsiatra,radio Tsiry,ary radio Soafia

Miresaka matetika izahay ao anatin’ireo radio-paritra isan-karazany ireo manao fanentanana sy fanabeazana fa indrindra manome ny torolalana .

Misy olona koa nahita fahafaham-po tamin’ny fandraisana an-tananana azy ka voavaha ny olana dia manao fijoroana vavolombelona mba hanentanana ny hafa hitady vahaolana raha hiaran’ny tsindry na herisetra

Rehefa tonga ireny fankalazana ny andro iraisampirenena momba ny vehivavy sy ny ady amin’ny herisetra dia tena mamoaka vaovao maro miainga avy ao aminay izy ireo ho entina hanaporofoana ny fisian’ny olana eny amin’ny vahoaka

Matetika izahay manao “plateau televisé” na koa manao resadresaka sy fanentanana arakaraka ny lohahevitra voasafidy

Po rofo

CD :niarahan’ny filoha nitafa sy ny dinika tamin’ny tale mponina tao amin’ny TV Matsiatra

Fanamafisana fahaiza manao *

Izahay ao anatiny fikambanana dia mahazo fanamafisana fahaiza manao sy fiofanana matetika avy aminireo mpitarika anay mba hanamora ny fanatanterahanay ny asanay.Tena manampy anay tokoa izany satria dia mahita zava-baovao foana izahay no sady mihatsara ny fahalalanay,miala amin’ny fahazarana tsy miova izahay satria mahay sy lasa matihanina ka na ny olona raisinay aza dia resy lahatra tanteraka amin’ny aa ataonay.Mandritra io fotoana io koa dia mifampizara ny fomba nanatantrahany ny asanay izahay dia mifanitsy ra hita fa tsy nety ny natao ary mifanampy sy mifampizara ny tsara sy ny mety.

Mahazo fampiofanana koa ireo mpitondra sy mpanentana eny anivon’ny fokontany mba afahan’izy ireo mandray an-tanana ireo olona manana olana.Eny anivon’ny fokontany izay nampiofaninay izao dia efa misy ny fandraisana olona ka rehefa mananosarotra azy ireo ny raharaha vao ampiakariny aty aminay.Rehefa misy koa ny famoriana olona eny dia manao fanentanana izy ireo mba tsy hisian’ny herisetra.

Ireo tompon’andraikitra ny sekoly,ny eglizy ary tobim-pahasalamana nanaovanay fanentanana dia nomena fiofanana koa mba afahan’izy ireo manome fanampy pahazavana ny olon’izy ireo na dia tsy eo aza izahay ary afahandreo mandray andraikitra sy mampiantra ihany koa.

Porofo *

Fiovana teo amin’ny fihetsika *

Tena nampiova ny fomba fijerin’ny mponina ny asa vita satria maro ireo izay mihevitra foana fa ny tokan-trano tsy ahahaka,maro ny milaza fa izay maharitra vadin’andriana fa ny tsy maharitra vadin’ny Kotokely,nefa arakaraka ny hijalianao eo no mety hafaty anao ary izay

nasahy namaky bantsilana ny olana nahazo azy dia niova tanteraka ny fiainany(mianatra sy hendry ny zanany,izy afaka niaina tsy amintahotra sy afaka nandray an-tanana ny fiainany ary maro ireo lehilahy sy rafozana mampijaly vinanto niova toetra taorian’ny nahapafantarana azy ireo ny marina sy ny rariny

Noho ny fahaizan’ny tsirairay mandray sy mihaino ary manoro hevitra dia niova ny fomba fijerin’ny olona ny manao hoe Ny tanora tsy matotra ary tsy tokony ho henoina na koa tokony ambakaina

Maro ny manaiky fa ny entana mavesatra zaraina mora zaka Resy lahatra ny maro fa tena iaina ny fampafantarana ny vahoaka ny

lalàna mba hanajan’izy ireo anizany:satria ireo izay voaentana na ireo izay nalamina tao amin’ny foibe ka nahazo lesona dia niova toetra avokoa ka manomboka manaja sy tsy manao herisetra koa ary dia misy aza efa mananatra ny hafa

Na lahy na vavy dia samy tonga mitaraina eo anatrehanay rehefa misy ny olana.Taloha mantsy dia ny vehivavy ihany no manatona

Porofo *

Fanovanana mikasika ny politika taorian ny hetsika famongorana ny herisetra amin’ny vehivavy .

Ny fikambananay dia efa ela no nijoro ary niady atrany ny amin’ny fitovian-jo (tany amin’ny taona 2001):zava-dehibe ho anay ny fiovana teo amin’ny taona fanambadiana satria dia samy 18 na lahy na vavy vao mahazo misoram-panambadiana (taloha dia latsak’izay ny any vehivavy)

Ampiasao ity faritra ity hilazanao ny fiovana nisy teo amin’ny politikan’ny fanjakana taorian’ ny hetsika famongarana ny herisetra,ohatra ny fanovana lalàna ,ny fitsipika ,na fanitsiana ny ny lalàmpanorenana.

Porofo

Ny fivoan’ny lalàna 2007 mikasika ny fianakaviana ka mametra ho 18 taona ny taonan’ny vehivavy sy ny lehilahy afahana misoram-panambadiana ra toa ka ny lehilahy no 18 taoana taloha ary ny ankizivavy 15-16 taoana.

Fiovana hafa niseho taorian’ny hetsika miady amin’ny hersisetra atao amin’ny vehivavy

Nisy koa lalàna nivoaka izay mamela ireo lehiben’ny distrika hanao fitsarana mitety vohitra mba afahana manome soram-piankonana ireo izay tsy manana izany:manampy ireo ankizy mbola te hanohy fianarana izany,manampy ireo izay tokony hanao fisoratam-panambadiana izany,manampy ireo izay te hirotsaka ho fidiana koa izany .Ambarao eto izay fiovana hafa rehetra niseho taorian’ny hetsika hiadina amin’ny herisetra atao amin’ny vehivavy .

Lesona azo notsohahina sy fanavaozana. *LESONA: Rehefa manatanteraka ny asa dia tokony hanana toetra sy fitondran-tena mendrika,mila mahatana tsiambaratelo ,mahay mihaino, mahafehy ny zavatra tenenina sy hatao.Ny olona dia samy manana ny fahalemeny sy ny tanjany dia mitandrina rehefa mandray azy ireo.Ny olona tonga eo anatrehanao eo dia mitady vahaolana sy tolo-tanana ka mahaiza mandray sy mihaino azy.Tsy mahavoavaha olana irery ianao fa mila mahay miara-miasa amin’ny hafa fa izay tsy mahay sobika hono mahay fatram-bary.FANATANTERAHANA:raisina ampitoniana sy ampanajana ny olona manana olana,atao ny fifampafantarana,hatao izay haresy lahatra azy fa olona azony antoka ny mandray azy,henoina ampitoniana izy,toroana hevitra izy mba afahany misafidy ny vahaolana mety aminy,omena toky izy ny amin’ny maha tsiambaratelo ny resaka ary dia angatahina foana ny heviny ra misy zavatra tiana ho atao aminy,mampiantso ny ankilany raha ilaina mba tsy ho feo tokana no ho henoina,manao fanentanana sy fampahalalana ny rehetra manodidina mba samy ahazo fahalalana sy handray andraikitra

Fampianarana sy fizarana traikefa amina fikambanana na rafitra hafa *

Araka ny efa volaza teo aloha dia mpikambana ao anatin’ilay vondrom-pikambanana atao hoe CAFF(Collectif des Associations de Femme de Fianarantsoa) nytenako.Ny fifampizarana atao ao dia ny momba ireo asa mifanandrify amin’ny tanjon’ny fiakambanana izany hoe izay rehetra mitondra fanatsarana sy fampiroboroboana ny fiainana’ny tanora fa ny raisinay avy amin’ny CAFF dia ny traikefa hananan’ireo mpikambana maro ao,sy ny fampiofanana avy amin’izy ireo.Ka ny votoatokevitra nivoaka tamin’ny fiarahana amin’ny CAFF dia ny

fanamafisana ny fiarahana miasa ho famongorana miaraka ny herisetra amin’ny endriny rehetra sy ho fandraisana an-tanana ireo niaran’izany fa ny firaisankina tokoa moa no hery

Nifampizara traikefa koa izay tamin’ny fikambanana VSF(Vehivavy Siansa Fampandrosoana) izay nifampizara taminay ny fametrahana ny atao hoe fandriampahalemana miainga eny ifotony ka izahay tanora no nambara fa tena mila resy lahatra sy mandray andraikitra(fametrahana clubs des enfants)

Misy koa fifankalozana niarahana tamin’ireo ivon-toerana (centres sociaux) izay mpitaiza ireo zaza mirenireny na ireo zaza tsy misy mpiahy:teto no nahatsapana sy samy nanekena fa ilaina ny fahaizan’ny tsirairay mitandrina na miaro tena mba tsy hisian’ny vohoka tsy nirina ,ary teo koa no nanamafisana ny hoe zaza manan-jo tahakan’ny zaza rehetra ireto tezaina amin’ny “centres” ireto ka rariny sy hintsiny ny hanampiana azy ireo mba azahoany ny zony ka ny fikambananay dia nanapakevitra mihintsy ny hanamafy ny fifampizarana fahalalana momba ny fiarovana ny tanora sy ny fiaimpiainan’ny tanora.Nisy fifampiofanana natao sy ankety ihany koa momba ny antony mahatonga ireo ankizy mirenireny

Matetika ny fifampizarana amin’ny tambanzotra miaro ny ankizy:ny votoatokevitra nivoaka tamin’izany dia ny fanamafisana ny firaisan-kina sy ny fandraisana andraikitra marina sy avy atrany miainga avy amin’ny tsirairay rehefa mahita tranga

Porofo *

Faharetana sy famerenana *

Tokony hitady mpiara-miombonantoka sy mpamatsy ara-bola mba afahana manohy ny asa:ny tena tsara mantsy dia ny fahafana manampy ara-bola an’ireo niaran’ny herisetra mba afahan’ireo izay mila izany manao asa mampidi-bola ka hiatsara ny fari-piainany ary tsy hiankidoha loatra amin’ny hafa /lehilahy izy ireo.

Tokony hitarina any amin’ny toerana hafa ny asa natao mba samy hazahoan’ny mponina fahalalana sy fandraisan-tanana mitovy

Tokony hamafisina ny fandresehan-dahatra (plaidoyer) ireo mpitondra sy ireo tompon’andraikitra mba hifanomezana tanana amin’ny fanatanterahana na fanitarana ny asa

Ny asa vita dia azo tanterahina any aminà kaominina/toerana hafa ary ny fepetra ilaina moa dia ny fitiavana ny asa,ny fisiana fikambanana hanao ny asa,fanamafisana ny fahaiza manao na fampiofanana ny olona hanao ny asa ary ny fisiana trano, tetibola sy fitaovana(latabatra,seza,kahie,stylo sns) ary faneken’ireo mpitondra eo an-toerana izany)

Ny anjara biriky azonay omena ho fanampiana ireo fikambanana hafa dia ny fanomezana fiofanana,fizarana ny traikefa sy ny fahaizana manaoanay.Efa manana fitaovana fanentanana maromaro koa izahay dia vonona koa ny ifanakalo ny amin’izany mba ho tombotsoan’ireo marefo sy ireo voan’ny tsindry Ahoana ny fomba hanohizana ny ezaka hiadiana aminy herisetra atao amin’ ny vehivavy ,aorian’ny taona 2015.