66
37 Topimaso toko 3 TOKO 3 Ny fiangonana : Ny fisehoany isan-toerana 3.1 Ny fototry ny fivoriana araka ny Soratra Masina 41 Ny fiangonan’Andriamanitra amin’ny toerana iray 41 Fototry ny fivoriana 42 Maneho ny Fiangonana iray manontolo ny fiangonana isan-toerana 42 Ny maha-iray ny Fanahy 42 3.2 Ny ivon’ny fivoriana, araka an’Andriamanitra 43 “Amin’ny anarako” 43 Olona velona 43 Tsy mandà ny anarany 44 3.3 Ilay mpitari-dàlana avy amin’Andriamanitra 45 “Ao afovoany Aho” 45 Ny fanatrehan’ny Fanahy Masina 46 Fahalalahan’ny Fanahy 47 Famintinana 47 3.4 Ny hevitr’Andriamanitra momba ny fanompoana 49 Lioka 22.7-13 49 Kristy no manome 49 Fifampianarana sy fifananarana 50 Tsy manana ny fanomezam-pahasoavana rehetra ny olona iray 50 Ny mpitondra 51 Fanavahana hatao amin’ireo fivoriana 51 3.5 Loholona, mpitandrina ary diakona 53 Fanendren’ny apostoly 53 Tsy misy intsony ankehitriny io fahefana io 53 Ny Fanahy Masina no manokana 54 Torolàlana ho amin’izao vaninandro izao 54 Ny diakona 55 3.6 Ny fahefana avy amin’Andriamanitra 56 Tsy hoe tsy refesi-mandidy ny fahefany 56 Zavatra fito avy amin’Andriamanitra 58 3.7 Ny fivorian’ny fiangonana 59 Ny Eglizy tany Jerosalema 59

 · Web viewTOKO 3 Ny fiangonana : Ny fisehoany isan-toerana 3.1 Ny fototry ny fivoriana araka ny Soratra Masina

Embed Size (px)

Citation preview

Page 1:  · Web viewTOKO 3 Ny fiangonana : Ny fisehoany isan-toerana 3.1 Ny fototry ny fivoriana araka ny Soratra Masina

37 Topimaso toko 3

TOKO 3

Ny fiangonana :Ny fisehoany isan-toerana

3.1 Ny fototry ny fivoriana araka ny Soratra Masina 41 Ny fiangonan’Andriamanitra amin’ny toerana iray 41 Fototry ny fivoriana 42 Maneho ny Fiangonana iray manontolo ny fiangonana isan-toerana 42 Ny maha-iray ny Fanahy 42

3.2 Ny ivon’ny fivoriana, araka an’Andriamanitra 43 “Amin’ny anarako” 43 Olona velona 43 Tsy mandà ny anarany 44

3.3 Ilay mpitari-dàlana avy amin’Andriamanitra 45 “Ao afovoany Aho” 45 Ny fanatrehan’ny Fanahy Masina 46 Fahalalahan’ny Fanahy 47 Famintinana 47

3.4 Ny hevitr’Andriamanitra momba ny fanompoana 49 Lioka 22.7-13 49 Kristy no manome 49 Fifampianarana sy fifananarana 50 Tsy manana ny fanomezam-pahasoavana rehetra ny olona iray 50 Ny mpitondra 51 Fanavahana hatao amin’ireo fivoriana 51

3.5 Loholona, mpitandrina ary diakona 53 Fanendren’ny apostoly 53 Tsy misy intsony ankehitriny io fahefana io 53 Ny Fanahy Masina no manokana 54 Torolàlana ho amin’izao vaninandro izao 54 Ny diakona 55

3.6 Ny fahefana avy amin’Andriamanitra 56 Tsy hoe tsy refesi-mandidy ny fahefany 56 Zavatra fito avy amin’Andriamanitra 58

3.7 Ny fivorian’ny fiangonana 59Ny Eglizy tany Jerosalema 59Ny toetra lehibe nananany 601. Ireo fivorian’ny fiangonana ho amin’ny famakina ny mofo sy ny fanompoam-pivavahana 61 Ny Fanasan’ny Tompo : inona ny tanjona? 61 Fankalazana ny Fanasan’ny Tompo 62 Fanehoana ny fiombonana 65 Iza no afaka mandray anjara? 66 Tsy misy fandraisana anjara araka izay sitrapon’ny tsirairay 67 Ny Latabatry ny Tompo 68 Ny fanompoam-pivavahana 70

Page 2:  · Web viewTOKO 3 Ny fiangonana : Ny fisehoany isan-toerana 3.1 Ny fototry ny fivoriana araka ny Soratra Masina

38 Ny ivon’ny fivoriana araka an’Andriamanitra

Ny fototry ny fanompoam-pivavahana kristiana 71 Ny toetry ny fanompoam-pivavahana 72 Ny toerana anaovana ny fanompoam-pivavahana 72 Ny mpino rehetra dia mpisorona 73 Ny feonkira tendren-javamaneno 73 Fanajana 73 Fanolorana ny fananantsika 742.Ny fivoriam-bavaka 74 Ny vavaka iombonana 74 Ireo fangatahana manokana 76 Vavaka-fitorianteny lava reny 76 Finoana sy famelan-keloka 763. Ny fivoriana ho amin’ny famakiana sy fianarana ny Baiboly 77 Ohatra notsoahana tamin’ny Soratra Masina 77 Ny toetr’ireo fivoriana ireo 78 Fitahiana tsy miaraka amin’ny fanomezam-pahasoavana 78 Fianarana mitohy 79 Ireo fepetra ilaina ahazoana fitahiana 794. Fivoriana hitoriana ny Teny 79 Fivoriana hafa 805. Fivoriana sy tafika masina hitoriana ny filazantsara 81 Ireo fomba fitoriana ny filazantsara 82 Ny sekoly alahady 82

3.8 Ny toeran’ny vehivavy araka ny Soratra Masina 861. Ao amin’ny Testamenta Taloha 86 Tamin’ny fahariana 86 Tamin’ny fahalavoana 87 Ireo vehivavy masina fahiny 88 Teo ambany lalàna 892. Mandritra ny vaninandron’ny fahasoavana 89 Ao amin’ny tokantrano 89 Ny fampianarana imasom-bahoaka 91 Ao amin’ny fiangonana 92 Misaron-doha 93 Ny henatra amin’ny loha tsy misarona 94 Tsy ny volo lava no manarona ny loha 94 “Tsy fomba izany” 953. Ohatra notsoahana avy amin’ny Soratra Masina 95 Tsy manana anjara fanompoana imasom-bahoaka ny vehivavy : ohatra mandà 95 Ohatra manaiky 95-Maria (Miriama) 95- Ireo vehivavy tao amin’ny Eksodosy 35.22-26 95-Deborah 96-Ilay vehivavy Sonemita 96-Ny vehivavy ao amin’ny Testamenta Vaovao 964. Ny haingo sy ireo fitafiana 97

3.9 Ny fifehezana 991. Ny ilàna ny fifehezana 99 Ny fahamasinan’Andriamanitra 99 Voatazona ny fahefan’i Kristy 99 Ny masirasiran’ny fahotana 1002. Ny tanjon’ny fifehezana 100 Fihazonana ny voninahitr’Andriamanitra 100 Fanadiovana ny fiangonana 100 Famaizana ny olona diso 101 Vokatra tsara sy fihasitranan’ny fanahy 101

Page 3:  · Web viewTOKO 3 Ny fiangonana : Ny fisehoany isan-toerana 3.1 Ny fototry ny fivoriana araka ny Soratra Masina

39 Ny ivon’ny fivoriana araka an’Andriamanitra

3. Ahoana ny hampiharana ny fifehezana 102 Aoka ho tadidintsika ny maha-isika antsika 102 Fisaonana sy fiombonana 1024. Ireo endriny samihafa 103 a)Manitsy izay sendra nanao fahadisoana 103 b)Mampitandrina ireo izay mandeha amin’ny fikorontanana ary mihataka amin’izy ireo 104 c)Ny fananarana imasom-bahoaka 105 d)Mikarakara olona mpanavakavaka 106-Mijery ireo izay mamorona fisaraham-bazana, ary mihataka amin’izy ireo 106 e)Ny fifehezana amin’ny fahanginana 107- Fanompoana ara-nofo sy tsy mahasoa 107- Ny kilema ara-nofo ao amin’ny Levitikosy 21 108 f)Fandikan-dalàna manokana 109-Manana ny fisainana sy ny toetra ara-moraly ilaina 109-Ny hetsika voalohany 110- Ny hetsika faharoa 111- Ny hetsika fahatelo 111- Ny hetsika fahefatra 112 Fanalàna ireo ratsy 112- Ireo mpanao ratsy 113- Ny faharatsiana araka ny foto-pampianarana 114- Ny fomba mety atao 116- Mihetsika ho an’ny Fiangonana iray manontolo 117- Fihetsika eo anoloan’izay voaroaka 117- Ireo tranga mampisalasala 118

Page 4:  · Web viewTOKO 3 Ny fiangonana : Ny fisehoany isan-toerana 3.1 Ny fototry ny fivoriana araka ny Soratra Masina

41 Ny fototry ny fivoriana araka ny Soratra Masina

3.1 Ny fototry ny fivoriana araka ny Soratra Masina

Hatreto, dia noraisintsika tamin’ny ankapobeny ny Fiangonan’Andriamanitra, amin’ny fisiany manerana izao tontolo izao. Nasehon’ny Soratra Masina tamintsika fa tena iray ihany izy eran-tany, voarafitr’ireo mpino izay mifampiankina toy ny ifampiankinan’ireo zavatra anisan’ny tena anankiray ihany, mifamatotra amin’ny maha-iray ny Fanahy ary miray amin’i Kristy, ilay lohany nomem-boninahitra. Ny fiangonana iray manontolo koa no vadin’i Kristy sy tranon’Andriamanitra, fonenany etỳ an-tany amin’ny alalan’ny Fanahy. Hitantsika avy eo fa ny fanomezam-pahasoavana ho an’ny fanompoana, izay nomen’i Kristy nasandratra, dia ho an’ny Eglizy iray manontolo, “ho fampandrosoana ny tenan’i Kristy” (Efesiana 4.12).

Rehefa hitantsika ireo toetra ankapobeny ireo, izay iombonan’ny Tenan’i Kristy sy ny Fiangonan’Andriamanitra iray manontolo, dia ndeha ho jerena ny lafiny isan-toerana, izany hoe ny fiangonana eo amin’ny toerana iray. Satria ny maha-iray ny fiangonana dia tsy tokony ho zavatra tsy hita maso, fa manan’aina ary miharihary, “mba hinoan’izao tontolo izao” (Jaona 17.21). Mba ho hita miharihary amin’ny toerana iray izy, dia mazava fa tsy maintsy manana endrika voafaritra sy hita maso ny Eglizy, ary izany no ndeha ho dinihintsika.

Dikany telo no ampiasain’ny Soratra Masina ny voambolana hoe “fiangonana” :-1. “ny Fiangonana”, tsy misy famerana, izany hoe ny Tena iray manontolo, araka ny efa

nandraisantsika azy;-2. “ny fiangonana”, raisina amin’ny lafiny kelikely kokoa, eo amin’ny toerana iray voafaritra;

ohatra, “ny fiangonana izay tany Jerosalema” (Asa 8.1; 11.22), tany Antiokia (Asa 13.1), tany Efesosy (Asa 20.17), etsetra.

-3. Ny milaza maro, “ireo fiangonana”, maneho ny fikambanan’ireo fiangonana eo amin’ny tany iray: ohatra, tany Jodia (1 Tesaloniana 2.14; Asa 9.31), tany Galatia (1 Korintiana 16.1; Galatiana 1.2), tany Azia (1 Korintiana16.19), etsetra, na, amin’ny lafiny mihitatra kokoa, manambatra ireo fiangonan’Andriamanitra rehetra, toy ny ao amin’ny 2 Korintiana 11.28, “ny fiahiana ny fiangonana rehetra” ; na ny ao amin’ny 2 Tesaloniana 1.4, “ny fiangonan’Andriamanitra”.

Amin’ny fampiasana ny voambolana hoe “fiangonana” eo amin’ny dikany faha-2 sy faha-35, dia misy ny eritreritra hoe fivorian’ny mpino eo amin’ny toerana iray, izay miavaka amin’ny Tenan’i Kristy raisina manontolo. Hojerentsika izao ny atao hoe fivorian’ny Fiangonan’Andriamanitra eo amin’ny toerana iray, sy ny fifandraisana misy amin’ireo fivoriana isan-toerana ireo sy ny Eglizy manontolo.

Ny fiangonan’Andriamanitra eo amin’ny toerana iray

Ny fandinihina ny fiantombohan’ny epistily voalohany ho an’ny Korintiana no hanazava amintsika io lohahevitra io: “Ny fiangonan’Andriamanitra any Korinto, dia izay nohamasinina ao amin’i Kristy Jesoa, olona voantso sady masina, mbamin’izay rehetra miantso ny anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika eny amin’ny tany rehetra, dia azy sy antsika” (1.2). Ny apostoly eto dia mampiasa ny fehezan-teny hoe “fiangonan’Andriamanitra”, izay ampiasaina hanondroana ny Tenan’i Kristy iray manontolo, ary mampihatra izany amin’ny toerana iray: “ny fiangonan’Andriamanitra any Korinto”. Dia tsipihiny ireo izay tafiditra ao anatin’izany fehezan-teny izany: “izay nohamasinina ao amin’ny Kristy Jesoa”. Koa ny dikan’izany, dia ireo olona rehetra nino ny Tompo Jesoa Kristy tao amin’io tanàna io no nandrafitra ny fiangonan’Andriamanitra tany Korinto.

Mba tsy hisian’ny fisalasalana momba izay hevitra izay, dia aoka ho marihina fa io tsongandahatsoratra io dia manazava tsara fa ny fiangonan’Andriamanitra eo amin’ny toerana iray dia misy ireo mpino rehetra nateraka indray, ireo isan’ny Tenan’i Kristy rehetra. Tamin’ny andron’ny apostoly, ny mpino rehetra teo amin’ny toerana iray dia tafavory mba ho vavolombelona hita maso, ary io fivoriana io no fanehoana mazava ny Tenan’i Kristy iray manontolo teo amin’io toerana io. Hany ka afaka nanoratra ho an’ny fiangonana tany Korinto i Paoly hoe: “Ary ianareo no tenan’i Kristy, ka samy momba ny tenany avokoa araka ny anjaranareo avy” (1 Korintiana 12.27).

Nefa amin’izao vaninandro iainantsika izao, izay maharava ny fijoroana ho vavolombelona hita maso sy hisian’ny fitsitokotokoana marobe, dia tsy hita intsony ny mpino rehetra eo amin’ny toerana iray miaraka mijoro ho vavolombelona hita maso na fiangonana miray toy ny tany am-boalohany. Hita miparitaka any amin’ny vondron’olona samy hafa izy ireo. Tsy misy fivorian’ny mpino ankehitriny afaka

5Raha ny marina, ny hany tsy mampitovy ireo dikanteny roa ireo dia ny fampiasana ny voambolana ny iray milaza tokana, ny iray milaza maro. Misy dikany hafa azo raisina koa: ny fivoriana “ho fiangonana”, eo amin’ny toerana iray sy amin’ny fotoana iray manokana, ataon’ireo mpino ao amin’ny fiangonana eo an-toerana, na dia tsy manatrika eo daholo aza izy rehetra (1 Korintiana 11.18; 14.19,23,34). Fanamarihan’ny mpandika.

Page 5:  · Web viewTOKO 3 Ny fiangonana : Ny fisehoany isan-toerana 3.1 Ny fototry ny fivoriana araka ny Soratra Masina

42 Ny fototry ny fivoriana araka ny Soratra Masina

miambo ho “fiangonan’Andriamanitra” eo amin’ny toerana iray, satria io fehezan-teny io dia mahafaoka ny mpino rehetra eo amin’io toerana io.

Fototry ny fivoriana

Na izany aza, satria toa tsy vita ankehitriny, noho ny fitsitokotokoana misy eo amin’ny Eglizy, ny hampivory ny mpino rehetra eo amin’ny toerana iray, ny hany fototry ny fivoriana araka ny Soratra Masina dia mbola mitoetra foana ankehitriny ho antsika: ny fanekena sy ny fampiharana ny maha-iray ny Tenan’i Kristy.

Marina foana fa “iray ny tena” (Efesiana 4.4), ary toy ny tena iray ihany no ahitan’Andriamanitra ny vahoakany miparitaka. Ireo izay manaiky izany koa, noho ny finoana, dia afaka mivory toy ny isan’ny Tenan’i Kristy, fa tsy toy ny mpikambana mankasitraka foto-pampianarana izatsy na izaroa, rafi-pitondrana ny Eglizy izatsy na izaroa, fanekem-pinoana na sekta izatsy na izaroa. Tsy manaiky afa-tsy ny tena isan’ny Tenan’i Kristy, ary mandray azy ireo ho toy izany, izay ihany no tena fototra ara-tSoratra Masina tokony hisian’ny fivoriana ho an’ny Fiangonan’Andriamanitra velona. Izay no fotokevitra voalohany sady lehibe indrindra momba ny Fiangonana amin’ny fanehoana azy isan-toerana sy hita maso.

Maneho ny Fiangonana iray manontolo ny fiangonana isan-toerana

Ny fiangonana isan-toerana tsirairay dia tsy inona fa ampahan’ny Tenan’i Kristy iray manontolo ary tokony ho fitaratry ny Eglizy. Ny toetra rehetra maha-fiangonana ny Fiangonana iray manontolo dia tokony ho hita isaky ny fiangonana isan-toerana. Tsy tokony hisy zavatra ao amin’ny fiangonana izay mifanipaka amin’ny fahamarinana mikasika ny Fiangonana iray manontolo, izay nodinihintsika teo aloha. Ny fivoriana tsirairay eny amin’ny toerana samihafa dia ampahan’ny Fiangonana iray manontolo, izay soloiny tena sy hiasany amin’ny anarany. Noho izany, ny hany fototra ahazoan’ny mpino mivory na aiza na aiza ary na fotoana inona na fotoana inona, dia ny maha-isan’ny Tenan’i Kristy azy sy ny fanehoany ny Fiangonana iray manontolo eo amin’io toerana io.

Izany no fomba nivorian’ny mpino tamin’ny andro voalohany nisian’ny Eglizy, ary izany no tokony hivoriany ankehitriny, raha te-hiasa araka ny maha-isan’ny Fiangonan’Andriamanitra velona azy izy, mankatò sy manao izay sitrapon’ny Tompony sy Lohany.

Ny maha-iray ny Fanahy

Raha iray ihany ny Tena misy ny mpino izay eken’Andriamanitra, tsy tokony hivory amin’ny maha-isan’ny Tenan’i Kristy antsika fotsiny ve isika, ary afaka hanao izany ve isika raha tsy miala amin’ireo tena hafa namboarin’olombelona? Raha manao izany, dia tsy hoe mamorona tena iray hafa na firaisana iray hafa, fa manaiky ny firaisana izay nataon’ny Fanahin’Andriamanitra, misy ny tena mpino rehetra natao batisa tamin’ny Fanahy iray mba hamorona ny Tenan’i Kristy. Ary amporisihina isika ao amin’ny Efesiana 4.3 mba hitana izany firaisana avy amin’ny Fanahy izany amin’ny fehim-pihavanana.

Ny fahadisoan’ny olona tao amin’ny tontolo kristiana dia ny niray namorona fikambanana araka ny fisainany avy: fikambanana mivelatra kokoa na etiety kokoa noho izay noforonin’ny Fanahy, na tamin’ny fandraisana ireo izay tsy mbola niova fo, mbola tsy isan’ny Tenan’i Kristy sy tsy mbola tafiditra tao amin’izany Tena izany tamin’ny alalan’ny batisan’ny Fanahy, na tamin’ny fandàvana ireo tena isan’ny Tenan’i Kristy noho ny foto-kevitra na foto-pinoana manavakavaka. Tsy izany no tokony ho fotokevitra sy fampiharana ataon’ny Fiangonan’Andriamanitra.

Page 6:  · Web viewTOKO 3 Ny fiangonana : Ny fisehoany isan-toerana 3.1 Ny fototry ny fivoriana araka ny Soratra Masina

43 Ny ivon’ny fivoriana araka an’Andriamanitra

3.2 Ny ivon’ny fivoriana, araka an’Andriamanitra

Efa hitantsika ny fototry ny fivoriana araka an’Andriamanitra; ndeha horesahintsika indray izao ny ivo, araka an’Andriamanitra, izay hivorian’ny Fiangonan’Andriamanitra. Inona no tena ivo tokony eken’ny mpino sy hivoriany? Inona no ivo tena mendrika ny “Fiangonan’Andriamanitra velona”, izay manana an’i Kristy any amin’ny voninahitra ho Lohany? Amin’ny vaninandro toy ny misy antsika izao, izay hisian’ny anarana marobe samihafa aroso ho ivon’ny fivoriana, izay handraisana ny foto-kevitra vaovao rehetra ho ivo na foto-kevitra hampijoroana fikambanana ara-pivavahana vaovao, dia tokony ataontsika vain-dohan-draharaha ny mandinika ny Soratra Masina ary manaiky ho resen’Andriamanitra lahatra amin’ny tena ivo izay nofidin’Andriamanitra hamoriana ny vahoakany.

“Amin’ny anarako”

Ndeha hiverina ao amin’ny Matio 18, ilay andininy faharoa iresahan’ny Tompo ny Fiangonana. Ny fotoana hanorenana azy dia mbola ho avy, nefa eo Izy no manome ny foto-kevi-dehibe ho an’ny Egliziny, momba ny fifehezana sy ny fivoriana. Manome teny fampanantenana Izy fa hekena any an-danitra ny fanapahan-kevitra raisina amin’ny anarany ary hanantanteraka izay fangatahana rehetra atao, na dia olona roa fotsiny aza no mifanaiky amin’izany. Dia manome ny antony lehibe anaovany izany teny fampanantenana kanto izany izy, amin’ny teny mahatalanjona ao amin’ny andininy faha-20 hoe: “Fa na aiza na aiza hiangonan’ny roa na ny telo amin’ny anarako (ara-bakiteny: ao amin’ny), dia ao afovoany Aho”.

Eto isika dia mahita ny atao hoe Lalàna Lehibe mifehy ny Eglizy, izay miantoka ny zony sy ny tombontsoa manokana ananany; io no maneho ny hany ivon’ny fivoriana araka an’Andriamanitra ho an’ny Fiangonan’Andriamanitra. “Miangona amin’ny anarako”: io no toerana nanomezan’Andriamanitra fotoana ny zanany. Tiany ho voriana amin’ny anarana sarobidin’ny Zanaka malalany, ny anaran’ilay Mpamonjy azy ireo sy Tompony, ilay anarana ambonin’ny anarana rehetra. Tsy misy anarana hafa mety ankoatr’izay; tsy misy ivo hafa noho i Kristy ho an’ireo izay tena tia Azy amin’ny fahamarinana sy mikatsaka ny ho mahatoky manoloana Azy.

Ho an’ireo izay mivory toy izany amin’ny anarany irery ihany, izay sarobidy tokoa ao am-pony, na roa na telo fotsiny aza izy ireo, na roa na telonjato, dia omeny ny fanatrehany feno fitahiana: “Ao afovoany Aho”. Izy tenany mihitsy no manatrika eo; eo afovoan’ny fiangonany mivory Izy. Ary izany koa no tokony ho toerana omentsika azy, dia ny toerana avo indrindra, ny toeran’ilay mpitondra sy manam-pahefana, ny toerana eo afovoany.

Ao amin’ny Jaona 20.19-26, raha nivory ny mpianatra ny andro voalohany tamin’ny herinandro, dia hitantsika ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty naka ny toerana teo afovoan’izy ireo, ary nilaza taminy hoe: “Fiadanana ho anareo”! Io no fanantanterahana voalohany ny teny fampanantenana nataony ho eo afovoan’ny olony mivory amin’ny anarany, ary tsy tambo isaina ireo izay efa niaina an’izany nandritra ny fotoana nifandimby.

Olona velona

Tatỳ aoriana, raha nanoratra ho an’ny mpino i Petera, dia hoy izy momba ny Tompo Jesoa: “… Izay hatoninareo toy ny vato velona, ‘nolavin’ny olona, fa voafidin’Andriamanitra sady soa’” (1 Petera 2.4). Toy izany koa, nanoratra ho an’ny Hebreo ny apostoly hoe: “Koa aoka isika hivoaka hankeo aminy eo ivelan’ny toby, mitondra ny latsa izay nentiny” (Hebreo 13.13).

Manodidina an’i Kristy velona izany no nivorian’ny vahoakan’Andriamanitra tamin’ny taon-jato voalohany, ary manodidina Azy koa no tokony hivoriany amin’izao fotoana izao. Tsy manodidina foto-pampianarana iray, na dia marina aza izany, na manodidina lalàna na dia sarobidy aza izany, na manodidina mpitoriteny mahavariana iray, na dia tena mpivavaka aza izy; fa manodidina Olona Andriamanitra, velona, no tokony hivorian’ny Eglizy. Tsy voalaza hoe “zavatra izay hatoninareo”, fa “Izay hatoninareo”. Tsy zavatra no hatonintsika, na rafitra, na olombelona mpitondra, fa Olona Andriamanitra, ny Mpamonjy antsika sy Tompontsika.

Ny Fanahy Masina dia mitarika ho any amin’i Kristy irery ary ho any amin’ny anarany sarobidy, fa tsy ho any amin’ny anaran’olona na fikambanana. Ary hoy ny Teny: “Ary izay tsy miara-mamory Amiko dia manahaka” (Lioka 11.23). Izay rehetra mitarika fanahy ho any amin’ny anarana hafa ankoatra ny an’i Kristy, dia manahaka fa tsy mamory; satria raha misy anarana hafa hanampy io anarana masina io, dia mihahaka ny ondrin’i Kristy. Ny mivory amin’ny anaran’i Jesoa irery, manodidina ny tenany masina, no lohahevitra lehibe iray hafa koa momba ny fisehoan’ny Fiangonan’Andriamanitra isan-toerana, ary eo amin’ny toerana izay tsy misy izany, dia tsy afaka hisy ny Fiangonan’Andriamanitra.

Page 7:  · Web viewTOKO 3 Ny fiangonana : Ny fisehoany isan-toerana 3.1 Ny fototry ny fivoriana araka ny Soratra Masina

44 Ny ivon’ny fivoriana araka an’Andriamanitra

Tsy mandà ny anarany

Vokatr’izany, raha tena mivory amin’ny anaran’i Kristy sy manodidina ny tenany isika, dia tsy afaka hanana anarana hafa atao teny filamatra hikambanana; tsy afaka hisoratra anarana na ho fantatra amin’ny anarana hafa toy izay hita ao amin’ireo fikambanana kristiana maro. Ireo izay tena mivory amin’ny anarana sarobidin’i Kristy dia mandà ny anarana hafa izay mety haka ny toerana na hanala baraka io anarana avo indrindra io, ary tsy mitonona afa-tsy araka io anarana io izy ireo: kristiana na anarana hafa omena ao amin’ny Soratra Masina ilazana ireo izay olon’i Kristy.

Ny fitondrana anaran’olona na ny fikambanana mitondra anarana iray manokana, dia fandàvana ny anarany maha-te-ho tia ary manome alahelo Azy, izay Mpamonjy antsika sy Tompontsika. Afaka nilaza tamin’ny fiangonana tao Filadelfia i Kristy hoe: “Tsy mba nandà ny anarako (ianao)” (Apokalypsy 3.8). Mampiseho amintsika ny vidiny omeny ny tsy fivadihana amin’ny Anarany izany. Raha anarana hafa no entintsika, hafa noho ilay anarana mampitolagaga izay Azy, na anarana hafa noho izay nomeny antsika ao amin’ny Teniny, ary raha mivory amin’izany anarana izany isika, tsy afaka ny hihambo ho tena mivory amin’ny anarany masina. Jakoba 2.7 no milaza ilay “anarana tsara izay niantsoana anareo”. Ho ailikitsika ve izany hitondrana anarana hafa ? Enga anie ka tsy ho avelan’Andriamanitra hisy izany!6

Anarana dimy no ao amin’ny Teny ilazana ny vahoakan’Andriamanitra; azo ampiharina amin’ny mpino tsirairay izany ary mampifamatotra azy ireo: kristiana, mpino, rahalahy, olo-masina ary mpianatra. Ho an’ny rehetra ireo anarana ireo ary tsy manavakavaka, toy ireo anarana marobe ankehitriny izay eken’ny olona mitonona ho kristiana. Na inona na inona anarana raisina nefa tsy mampiditra ny tena mpino rehetra, dia midika ho famoronana sekta sy fandàvana ny fahamarinana momba ilay tena iray.

Raha ny marina, ny anaran’i Jesoa dia ampy tanteraka ho an’ny Fiangonan’Andriamanitra. Manana ny zavatra rehetra isika ao amin’io anarana io, tsy amin’ny famonjena ihany na ny amin’ny zavatra ilaintsika tsirairay amin’ny fiainana kristiana, fa koa amin’izay zavatra ilaina maika sy amin’izay mety ho zavatra ilaina eo amin’ny fiangonana: fivavahana, fiombonana, fanompoana, fifehezana, izay zavatra rehetra mety hitranga. Ry mpamaky, ampy ho anao ve io anarana io ho ivon’ny fivoriana? Tafaraka amin’olon-kafa ve ianao, mivory amin’io anarana masin’ilay Olona mendrika hivavahana io? Izany tokoa, hoy ianareo, nefa tena izany ve no zava-miseho? Ekena ve ny fahefany? Azy ve ny toerana voalohany?

6Ambonin’izany, tsy misy fivoriana afaka mamaritra ho azy manokana ny anarana hoe “fiangonan’Andriamanitra” na “Eglizin’i Kristy”, ohatra, satria ireo fehezan-teny ireo dia mahafaoka ny tena mpino rehetra eo amin’io toerana io. Jereo pejy 50. Fanamarihan’ny mpandika

Page 8:  · Web viewTOKO 3 Ny fiangonana : Ny fisehoany isan-toerana 3.1 Ny fototry ny fivoriana araka ny Soratra Masina

45 Ilay mpitari-dàlana avy amin’Andriamanitra

3.3 Ilay mpitari-dàlana avy amin’Andriamanitra

Tianay izao ny hijanona handinika lohahevitra lehibe tokoa: ny fanatrehan’ny Tompo mivantana amin’ny alalan’ny fanahy eo afovoan’ny olony mivory amin’ny anarany, ny toerana tokony homena Azy amin’ny maha-mpitari-dàlana ny fiangonana Azy ary ny fanatrehan’ny Fanahy Masina ao amin’ny Fiangonana.

“Ao afovoany Aho”

Teny sarobidy nataon’ny Tompo, izay miantoka tsy misy hisalasalana ny fanatrehany mivantana ho an’ireo mivory amin’ny anarany amin’ny alalan’ny Fanahy. Tsy teny fampanantenana ihany io, fa tena zava-misy azo tsapain-tànana, toy ny efa niainan’ny olona an’arivony maro azy, izay nino fotsiny io teny fampanantenana io ka nivory tamin’ny anarany irery. Ampy ho an’ny finoana io teny fampanantenana masina io. Ny fiangonana tafavory dia tsy mila zavatra hafa ankoatra ny fanatrehan’ny Tompo eo afovoany. Ampy ho an’ny zavatra rehetra Izy.

Vokatr’izany, raha miantoka ny fanatrehany masina eo afovoan’ny olony ilay Mpamonjy sy Lohan’ny Fiangonana, dia rariny raha Izy no hitantana sy hitarika ny fiangonana fa tsy olombelona; ny fiangonana dia tokony hanaiky io toerana fitondrana tokony ho Azy io ary miankina Aminy mba hotantaniny. Ny maso rehetra dia tokony hibanjina Azy Izay tonga hipetraka eo amin’ny toerana afovoany, ary ny fo rehetra dia tokony hiandrandra Azy hitantana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.

Tsy tokony ho adinointsika koa fa Ilay eo afovoan’ny olony dia Tompon’ny rehetra; Izay hany tokana manan-jo hampihatra ny fahefany ao amin’ny fiangonana. “Iny Jesoa izay nohombohonareo tamin’ny hazofijaliana iny dia efa nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy ”. “Nampanaiky ny zavatra rehetra ho eo ambanin’ny tongony Izy ka nanao Azy ho Lohany manapaka ny zavatra rehetra ho an’ny fiangonana” (Asa 2.36; Efesiana 1.22). Kristy no Tompo; tokony ho ekena ho toy izany Izy, Izy irery no manan-jo hitantana sy hanana fahefana ao amin’ny Eglizy. Ao amin’izay anekena ny maha-tompo sy mpitondra Azy, no hisy ny fiankinan-doha aminy ary fitondran-tena mifanaraka amin’izany; hisy ny fitondrana sy filaminana araka ny hevitr’Andriamanitra.

Ndeha ho tanisaintsika eto ny tenin’i Mackintosh, izay tena marina sy tena mampitandrina antsika tokoa: “Raha eo afovoantsika i Jesoa, nahoana isika no hieritreritra hametraka mpitondra izay olombelona? Nahoana raha miara-miombona, ary amin’ny fo tanteraka, no hamelantsika ho Azy ny toeran’ny filoha sy hanekentsika Azy amin’ny zavatra rehetra? Nahoana no mametraka fahefan’olombelona ao amin’ny tranon’Andriamanitra, na inona na inona fomba isehoan’izany? Nefa izany no zava-misy, ary tsara raha lazaina mazava izany. Olombelona no apetraka ao amin’ny lazaina fa fiangonan’Andriamanitra. Ny fahefan’olombelona no mihatra amin’ny sehatra izay tsy tokony hanekena afa-tsy ny fahefan’Andriamanitra. Raha vao voakasika io foto-kevitra ifotony io, tsy mampiova na inona na inona na papa izany, na pastora, na pretra na filoha. Olona no apetrako eo amin’ny toeran’i Kristy. Raha eo afovoantsika i Kristy, afaka matoky Azy amin’ny zavatra rehetra isika.

“Raha miteny izany izahay, dia tsy maintsy hisy fanakianana hatao aminay. Ny mpankasitraka ny fahefan’olombelona dia tsy maintsy hiteny aminay hoe: ahoana no fomba handehanan’ny fivorian’olombelona raha tsy misy filoha olombelona? Tsy hitondra any amin’ny fisavoritahana isan-karazany ve izany? Tsy hivoha ho an’ny tsirairay ve ny varavarana hitsabahany ao amin’ny fiangonana, na misy na tsia ny fanomezam-pahasoavana na fiofanana?

“Tsotra ny valinteninay: ampy tanteraka i Jesoa. Afaka matoky Azy isika mba hitandroany ny filaminana ao an-tranony. Milamin-tsaina kokoa isika raha eo am-pelatànany feno fahasoavana sy hery toy izay eo am-pelatànan’ny filoha olombelona na tsara hofana toy inona aza izy. Ny fanomezam-pahasoavana rehetra dia ao amin’i Kristy. Izy no loharanon’ny fahefana rehetra ho amin’ny fanompoana. Eny an-tànany ny kintana fito (Apokalypsy 1.16). Aoka isika hatoky Azy, dia ho azo antoka tanteraka fa sady hilamina ny ao amin’ny fiangonana no ho voavonjy ny fanahintsika. Mino izahay fa ny anaran’i Jesoa — ary fahamarinana feno izany — dia ampy tanteraka, tsy ho an’ny famonjena ny tsirairay ihany, fa koa ho an’ny filàn’ny fiangonana rehetra: fivavahana, fiombonana, fanompoana, fifehezana, fitantanana, etsetra. Raha miaraka Aminy isika, dia manana ny zavatra rehetra, ary manana be dia be.

“Izay no votoaty sy ventin’ny lohahevitsika. Tsy manana tanjona hafa na eritreritra hafa ankoatry ny fanandratana ny anaran’i Jesoa; ary mino izahay fa nalam-baraka Izy ao amin’ny lazaina fa tranony. Nesorina taminy ny toeram-boninahitra mba hametrahana fahefan’olombelona.

“Na dia tao amin’ny fiangonan’Andriamanitra tany Korinto aza, izay nahitana fisavoritahana sy fikorontanana nampalahelo tokoa, dia tsy nanao safeli-teny kely akory ny apostoly nahazo ny tsindrimandrin’Andriamanitra hoe tokony hisy fitondran’olombelona, na inona na inona anarana entiny.

Page 9:  · Web viewTOKO 3 Ny fiangonana : Ny fisehoany isan-toerana 3.1 Ny fototry ny fivoriana araka ny Soratra Masina

46 Ilay mpitari-dàlana avy amin’Andriamanitra

“Fa Andriamanitra tsy tompon’ny fikotranana, fa tompon’ny fiadanana,araka ny fanaon’ny fiangonan’ny olona masina rehetra” (1 Korintiana 14.33). Tao Andriamanitra nitandro ny filaminana. Tokony ho nibanjina Azy izy ireo, fa tsy olona, na iza na iza anaran’izany olona izany. Ny fametrahana olona iray hitandro ny filaminana ao amin’ny fiangonan’Andriamanitra dia tsy inona akory fa tsy finoana tsotra izao, ary fanimbazimbana ny fanatrehan’Andriamanitra.

“Matetika izahay no nangatahana andinin-tSoratra Masina manamafy io fitantanan’Andriamanitra io ao amin’ny fiangonana. Mamaly eo noho eo izahay hoe: “Eo Aho”; ary koa “Fa Andriamanitra tsy tompon’ny fikotranana, fa tompon’ny fiadanana”. Eo amin’ireo andry roa ireo, na tsy nanana hafa aza isika, dia azontsika atombina am-pahatokisana ny fahamarinana malaza momba ny fitantanan’Andriamanitra — fahamarinana izay tokony hanafaka amin’ny rafitra rehetra nataon’olombelona, na inona na inona anarana tianao omena azy, ireo olona rehetra mandray izany avy amin’Andriamanitra ary mitana izany. Raha ny hevitray, dia tsy vita raha sady hanaiky an’i Kristy ho ivo sy loha manjaka ao amin’ny Fiangonana, no hanohy hanaiky fitantanan’olombelona” (C.H.Mackintosh; Ny Fiangonan’Andriamanitra).

Fanatrehan’ny Fanahy Masina

Tsy ny Tompo Jesoa Kristy irery ihany no manatrika eo afovoan’ny mpianany tafavory, fa Andriamanitra Fanahy Masina koa. Efa niresaka ny fanatrehany isika sy ny asany ao amin’ny Eglizy; tianay izao ny hitarika ny sainao ho amin’io fahamarinana lehibe io izay mifandraika amin’ny lohahevitra eo anoloantsika.

Ny fisian’ny Fanahy Masina etỳ an-tany sy ny fonenany ao amin’ny mpino sy ny Fiangonana (araka ny 1 Korintiana 6.19 sy Efesiana 2.22, vokatry ny asam-pamonjena sy ny fanandratana an’i Kristy any an-danitra) dia isan’ny fahamarinana lehibe ifotony amin’izao andron’ny fahasoavana ankehitriny izao ary zava-baovao sy marika manokana ho an’ny tontolo kristiana. Nefa zavatra tsy dia hijanonana hodinihina io, tsy dia raharahiana firy, ary tsy dia hitokisana be loatra. Ny fisian’ny Fanahin’Andriamanitra etỳ an-tany dia nodian’ny tontolo kristiana tsy fantatra, ary tsy nomeny ny toerana tokony ho Azy amin’ny maha-mpitondra sy mpitantana Azy ao amin’ny Eglizy. Raha ny marina, dia lavina eo amin’ny fiainana andavanandro io fanatrehany io, satria omena olona iray ny toeram-pahefana hitantana ary ailika ny Fanahy Masina.

Raha nampanantena ny mpianany ny Tompo hoe handefa ny Fanahy Masina etỳ an-tany, dia nampiany fa ity farany ity dia hampianatra azy ireo ny zava-drehetra ary hitondra azy ireo ho any amin’ny marina rehetra. Miresaka ny Fanahy koa Izy hoe Mpampahery (amin’ny teny grika: Paraclet), izany hoe olona ilàntsika vonjy ary mandray an-tanana ny momba antsika (Jaona 14.26; 16.13). Ao amin’ny 1 Korintiana 12 sy 14, ny Fanahin’Andriamanitra dia aseho amintsika ho mpanao ireo zavatra samihafa, ireo hetsika sy asa ao amin’ny Fiangonana. “Ireo rehetra ireo dia asan’ny Fanahy iray ihany, zarazarainy ho azy rehetra avy araka ny sitrapony” (1 Korintiana 12.11). Ireo tsongandahatsoratra ireo dia mampiseho mazava fa ny Fanahy Masina dia ao amin’ny fiangonana mba hitantana, hitarika sy hampianatra ary manana ny zo tsy refesi-mandidy hampiasa izay tiany hitondra ny teniny amin’ny vavaka, ny fiderana na ny fanompoana.

Fahalalahan’ny Fanahy

Raha dinihintsika akaiky kokoa ny 1 Korintiana 14, toko izay miresaka manokana momba ny filaminana ao amin’ny fiangonana, dia hitantsika fa feno tanteraka ny fahalalahan’ny Fanahy Masina hampiasa rahalahy iray ao amin’ny fiangonana: mivavaka am-panahy, mihira am-panahy, midera am-panahy (ny fanahin’ny olona tarihin’ny Fanahy Masina), misaotra, miteny amin’ny fiteny tsy fantatra, maminany, mampianatra, manondro salamo iray na mamelabelatra fampianarana iray.

Ny fehezan-teny toy ny hoe “raha misy miteny”, “fa mahazo maminany tsirairay ianareo”, sy ny toy izany (and 5, 13, 27, 31) dia mampiseho fa nisy tokoa ny fahalalahana ho an’ny rahalahy rehetra — raha toa tsy hiharan’ny fifehezana izy — handray anjara amin’ny atao ao amin’ny fiangonana eo ambany fitarihin’ny Fanahy Masina. Izany no fomba nivorian’ireo kristiana tany am-boalohany ao anatin’ny fahalalahan’ny Fanahy ary eo ambany fitondrany tsy refesi-mandidy.

Marina fa azo atao ny manararaotra izany fahalalahan’ny Fanahy izany, toy ny nisy tao amin’ny fiangonana tany Korinto (jereo toko faha-4): be loatra ny hetsika, ny nofo no nihetsika teo amin’ny sasany. Inona izany no tokony ataon’ny fiangonana? Manasitrana izany amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra, amin’ny fanarahana an-tsipiriany ny didy izay omen’ny Fanahin’Andriamanitra ao anatin’ity toko ity. Io no fanafody avy amin’Andriamanitra.

Nefa aoka ho marihina fa na nisy aza ny korontana tafiditra tao amin’ny fiangonana tany Korinto, dia tsy nangatahana ny hiala amin’izany fandaminana miavaka noho ny fahalalahan’ny

Page 10:  · Web viewTOKO 3 Ny fiangonana : Ny fisehoany isan-toerana 3.1 Ny fototry ny fivoriana araka ny Soratra Masina

47 Ilay mpitari-dàlana avy amin’Andriamanitra

Fanahy izany mihitsy izy ireo, ka hanendry olona hanao irery ny fanompoana sy hitarika ny fiangonana. Ny apostoly, izay nahazo tsindrimandry avy amin’ny Fanahy Masina, dia nampianatra azy ireo tsotra fotsiny ny fomba fandraisany anjara mba hitera-boka-tsoa ary nananatra hoe: “Aoka ny zavatra rehetra atao ho fampandrosoana”, “fa mahazo maminany tsirairay ianareo rehetra” ary “kanefa aoka ny zavatra rehetra atao amin’ny fahamendrehana sy ny filaminana” (and 26, 31, 40).

Ireo toro-marika ireo dia tsy ho an’i Korinto ihany, fa tena ho an’ny fiangonana rehetra na aiza na aiza misy azy, araka ny teny fanolorana ny epistily: “ny fiangonan’Andriamanitra any Korinto … mbamin’izay rehetra miantso ny anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika eny amin’ny tany rehetra” (1 Korintiana 1.2). Noho izany, izany fitarihana momba ny fahalalahan’ny Fanahy izany dia mampiray ny kristiana rehetra na aiza na aiza misy azy, ankehitriny toy ny tamin’ny taloha.

Famintinana

Aoka isika hifaly amin’ity fahamarinana sarobidy ity: Andriamanitra Fanahy Masina dia tena manatrika marina eo amin’ny fiangonan’ny roa na telo mivory amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy; izy no miasa, hery miasa ao anatin’ny olona sy mitarika ary mitantana ny fiangonana; ary ny Tompo Jesoa mihitsy no eo afovoan’izy ireo. Inona no ilaina mihoatr’izany? Aoka isika hino izany fotsiny, ary hiasa miankina amin’izany fahamarinana izany; aoka ny fontsika hankatò ny Tompo Jesoa Kristy sy ny Fanahy Masina.

Eo anoloan’izay rehetra napetraky ny Soratra Masina ho antsika, tsy marina ve fa izay rehetra tsy mankatò amin’ny fampiharana eo amin’ny fiainana andavanandro ny fitantanan’ny Fanahy Masina avy amin’Andriamanitra sy ny fahalalahany hampiasa izay tiany ao amin’ny fiangonana, araka ny sitrapony, dia tsy afaka mitondra ny anarana hoe tena fiangonan’Andriamanitra marina, mivory araka ny fampianaran’ny Soratra Masina?

Page 11:  · Web viewTOKO 3 Ny fiangonana : Ny fisehoany isan-toerana 3.1 Ny fototry ny fivoriana araka ny Soratra Masina

49 Ny hevitr’Andriamanitra momba ny fanompoana

3.4 Ny hevitr’Andriamanitra momba ny fanompoana

Ny fanirianay dia ny hampiseho mazava, araka ny Soratra Masina, ny fomba tian’Andriamanitra hanatanterahana ny fanompoana ao amin’ny fiangonana, mba hisongadina tsara ny fomba tian’Andriamanitra hanatanterahana ny fanompoana ho an’i Kristy miohatra amin’ny fomba fanaon’olombelona. Hoy angamba ny sasany hoe: “Ahoana no hampety izany? Ahoana no hampandeha ny fivoriana na ny fanompoana raha tsy misy olona miandraikitra izany?”

Ny fandinihina lalina ny Testamenta Vaovao no hamaly izany fanontaniana izany sy izay rehetra fanontaniana mety hipetraka.

Lioka 22.7-13

Ndeha ho vakiantsika io tsongandahatsoratra io ary ho marihintsika ny lohahevitra sasantsasany aseho amintsika amin’ny kisarisary.

Raha naniraka an’i Petera sy Jaona ny Tompo hanamboatra ny Paska, dia nanontany izy ireo hoe: “Aiza no tianao hanamboaranay azy?” Toy izany koa, afaka mametraka fanontaniana isika hoe: Aiza no alehanay mba hivavaka? Dia nilaza taminy ny Tompo mba handehanany any an-tanàna ary hanaraka izay lehilahy mitondra siny feno rano mifanena aminy. Io lehilahy io dia mety maneho amintsika ny Fanahy Masina, ary ny siny feno rano dia ny Tenin’Andriamanitra. Ny tokony hitarika antsika dia ny Fanahy sy ny Tenin’Andriamanitra. Tsy maintsy nanaraka ilay lehilahy tao amin’ny trano izay hidirany izany i Petera sy Jaona, ka nilaza amin’ny tompon-trano hoe: “Izao no lazain’ny Mpampianatra aminao: Aiza ny efitrano hiarahako mihinana ny Paska amin’ny mpianatro?” Dia nilaza taminy ny Tompo hoe hatoro azy ny efitrano malalaka ambony rihana, izay efa nasiana fipetrahana, ary ao no hanamboarany ny paska (and 12). Dia nandeha izy ireo, ka nahita araka izay efa nolazainy taminy; dia nihinana ny paska niaraka tamin’ny Tompo tao amin’io efitrano io izy ireo; tao koa no nanorenana ny didy vaovao ho an’ny Eglizy, dia ny Fanasan’ny Tompo, taorian’ny fihinanana ny paska.

Izany rehetra izany dia feno fampianarana ho antsika. Niaraka tamin’ny mpianany sy nankalaza ny paska tao amin’ny efitrano ambony rihana sy mitokana ny Tompo. Toy izany koa ankehitriny, ny toerana hihaonan’ny Tompo amin’ny olony dia toerana mitokana, misintaka amin’izay rehetra mampalahelo sy manala baraka Azy ao amin’ny tontolo kristiana, araka ny voalaza ao amin’ny 2 Timoty 2.21. Tao koa dia efitrano malalaka ambony rihana. Toy izany koa, ny Fiangonan’Andriamanitra velona, izay atrehan’ny Tompo, dia tokony hivory ao amin’ny rivo-piainana avy any an-danitra amin’ny maha-Tenan’i Kristy azy, ary manao izany amin’ny fo malalaka afaka mandray izay rehetra isan’io tena io ka mitady hanatrika ho toy izany amin-kitsim-po, fahadiovana ary fahamarinana. Rehefa mivory toy izany ny kristiana, miankina tsotra amin’ny Tompo, manodidina Azy izay ivo sy mpitondra azy ireo, dia hanome izay rehetra ilaina Izy hisian’ny fijoroana ho vavolombelona amin’ny anarany. Ny eo afovoan’izy ireo dia ny Lohan’ny Fiangonana, ary Izy no nanome ny fanomezam-pahasoavana ho an’ny olona mba hanatanterahana ny fanompoana — efa nojerentsika akaiky izany tao amin’ny toko teo aloha momba ny fanomezam-pahasoavana sy ny fanompoana. Miseho amin’ny fiangonan’i Filadelfia ho Ilay manana ny fanalahidin’i Davida Izy, afaka mamoha sy manidy (Apokalypsy 3.7). Any Aminy koa ny fanalahidin’ny harena sy fananan’Andriamanitra, ary afaka mamafy harena tsy lany laniana ho an’ny vahoakany izay miandrandra aminy amin’ny finoana Izy.

Kristy no manome

Manome fanomezam-pahasoavana ho an’ny olony ny Tompo hanatanterahana ny fanompoana (Efesiana 4.11-16) ary amin’ny toerana izay hiankinan’izy ireo amin’ny Fanahy Masina sy hamelany azy hiasa malalaka, dia hampipoitra, hamporisika ary hampiasa ireo fanomezam-pahasoavana ireo ny Fanahy ao amin’ny fiangonana eo an-toerana mba hampandrosoana sy hikarakarana ny mino, ary koa mba hitoriana ny filazantsara ho an’ny tsy mino. Tsy mila mivoaka manakarama mpitoriteny. Na aiza na aiza hivorian’ny mino manodidina ny Tompo, dia nanome talenta sy nanofana olona sasany Izy ho amin’ny fanompoana. Mety ho amin’ny fomba tsotra sy malemy no hanatanterahana io fanompoana io, nefa avy amin’ny Tompo izany; ary teny dimy atao amin’ny Fanahy dia manan-danja kokoa noho ny teny iray alina amin’ny teny tsy fantatra, na lazaina amin’ny fahaiza-mitenin’ny olombelona fa tsy avy amin’ny Fanahy (1 Korintiana 2.1-4; 14.19).

Maro karazana ny fanomezam-pahasoavana nomen’ny Tompo, ary ny mino tsirairay dia samy manana karazana izatsy na izaroa, ary manana anjara asa ho tontosaina amin’ny maha-isan’ny Tenan’i Kristy azy. “Fa samy nomena ny fahasoavana araka ny ohatry ny fanomezan’i Kristy avy isika

Page 12:  · Web viewTOKO 3 Ny fiangonana : Ny fisehoany isan-toerana 3.1 Ny fototry ny fivoriana araka ny Soratra Masina

50 Ny hevitr’Andriamanitra momba ny fanompoana

rehetra” (Efesiana 4.7). Mety ho tsy maintsy fantarina ireny fanomezam-pahasoavana ireny, velomina sy hampitomboina amin’ny fampiasana azy; nefa eo izy ireny ary nomena ho fanampiana sy fitahiana ho an’ny rehetra. Rehefa mivory amin’ny anaran’ny Tompo irery ny mino, mamela ny Fanahy hampiasa izay tiany, dia samy mahatsapa ny andraikiny hanatontosana ny anjara asany amin’ny fitandroana ny fijoroana ho vavolombelon’ny Tompo ny mino tsirairay; tsikaritra amin’izany ny fanomezam-pahasoavana sy ny fahaizana, mba hampiasaina sy hampitomboina. Raha tsy izany, raha olona iray ihany no tendrena hiandraikitra tanteraka ny fanompoana, dia tsy misy toerana ho an’izany asa izany sy io fampitomboana ny fanomezam-pahasoavana izay mety misy ao amin’ny fiangonana io.

Ny làlana nosoritan’ny Soratra Masina ho an’ny vahoakan’Andriamanitra izany dia ny mivory manodidina Azy amin’ny maha-kristiana tsotra azy, miankina amin’ny Fanahy Masina izay mampiasa ny fanomezam-pahasoavana misy ary mampipoitra ny sasany. Afaka mandefa mpanompon’Andriamanitra manana fahasoavana manokana koa izy hitsidika, mifidy izay olona tiany amin’ny fotoana hitiavany azy, mba hampandroso ny olona masina, mba hitory ny teny na hanao izay asa rehetra mety ilaina ho fanampiana ara-panahy.

Mamahana sy mitia ny Fiangonany ny Tompo, ary, amin’ny maha-Loha sy Vady azy, manome izay rehetra ilain’ny fiangonana isan-toerana Izy, raha miandrandra Azy. Impiry impiry izahay no efa vavolombelon’izany, ary betsaka no efa nahatsapa ny fisian’izany. Izany no zava-niseho teo amin’ireo fiangonana isan-toerana ao amin’ny Testamenta Vaovao. Nivory tamin’ny maha-mpino azy ny mpino, nifampandroso ary nandray izay mpanompo rehetra alefan’ny Tompo ho azy ireo. Vakio ny bokin’ny Asa sy ny epistily dia jereo raha tsy izany no zava-nisy.

Fifampianarana sy fifananarana

Hoy i Paoly raha nanoratra ho an’ny fiangonana tany Roma izy: “Fa izaho koa, ry rahalahiko, dia matoky ny aminareo fa feno fahatsarana ianareo, dia feno ny fahalalana rehetra sady mahay mifananatra koa” (Romana 15.14). Fa te-hahita azy ireo koa izy, hanomezany fahasoavam-panahy ho azy (Romana 1.11). Raha nanoratra ho an'ny fiangonana tany Kolosia izy, dia hoy izy: "Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin'ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara" (Kolosiana 3.16). Amin’ny maha-mpirahalahy azy ao amin’ny Tompo, dia zavatra vitan’izy ireo izany, toy ny mpirahalahy ao amin’ny Tompo ankehitriny. Na dia mety tsy hisy fanomezam-pahasoavana misongadina aza ao amin’ny fiangonana kely iray, io fanompoana amin’ny fifampianarana sy ny fifananarana io, araka izay hitarihan’ny Fanahin’Andriamanitra azy sy izay hitsarany azy, dia azo atao foana ho an’ireo kristiana mivory amin’ny fomba tsotra manodidina ny Tompo mba hianatra ny Teniny.

Ny fahosana lehibe mahazo ny Eglizy (nampitandrina ny Kolosiana ny amin’izany ny apostoly) dia izy “tsy  mihazona ny Loha; Izy no itomboan’ny tena rehetra, izay velomina sy ampiraisina tsara amin’ny famavany sy ny ozatra, araka ny fampitomboan’Andriamanitra” (Kolosiana 2.19). Tsy be voninahitra eo amin’ny momba ny tena ny famavana sy ny ozatra, kanefa miasa sy mampiray ny momba ny tena izy ireo, ary noho izany, dia mitombo ny tena. Raha mba mihazona ny Loha mantsy ny kristiana, mampifantoka ny masony amin’i Kristy ary miankina Aminy, dia hitombo amin’ny fahalalàna izy ireo ary hivory mba handray ny fitahian’Andriamanitra. Raha tsy izany, dia tsy hisy ny fitahiana, fa hikaroka ireo ezaka ataon’olombelona, tahaka ny hita sy tsapa manodidina antsika ankehitriny.

Tsy manana ny fanomezam-pahasoavana rehetra ny olona iray

Izany no havoitran’ny Romana 12.5-8. “Dia toy izany koa isika, na dia maro aza, dia tena iray ihany ao amin’i Kristy, ary samy miara-momba ny tena isika rehetra. Ary satria samy manana fanomezam-pahasoavana samy hafa isika, araka ny fahasoavana izay nomena antsika: raha faminaniana, dia aoka atao araka ny ohatry ny finoana; raha fanompoana amin’ny fiangonana, dia aoka ho amin’ny fanompoana; raha mampianatra, dia aoka ho amin’ny fampianarana; raha mananatra, dia aoka ho amin’ny fananarana; izay manome, dia aoka ho amin’ny fahatsoram-po; izay manapaka, dia aoka ho amin’ny fahazotoana; izay mamindra fo, dia aoka ho amin’ny fifaliana”. Samy mahazo fanomezam-pahasoavana samy hafa ny tsirairay ary izany rehetra izany dia samy ilaina hampandrosoana ny mpino sy hihazonana ny fijoroana vavolombelon’ny fiangonana. Koa aoka ny tsirairay hanompo araka ny fanomezam-pahasoavana noraisiny; izany no hevitr’Andriamanitra momba ny fanompoana ao amin’ny Eglizy. Izany koa no nosoratan’i Petera: “Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo” (1 Petera 4.10).

Raha nitsitokotoko ny Korintiana ka nanaraka mpanompon’ny Tompo samihafa, nisafidy izay tiany nefa ny Tompo efa nanome azy ireo ireo rahalahy manam-pahasoavana manokana ireo, samy

Page 13:  · Web viewTOKO 3 Ny fiangonana : Ny fisehoany isan-toerana 3.1 Ny fototry ny fivoriana araka ny Soratra Masina

51 Ny hevitr’Andriamanitra momba ny fanompoana

nanana fanomezam-pahasoavana samy hafa, mba ho fitahiana azy ireo, dia hoy i Paoly raha nanoratra taminy: “Fa anareo ny zavatra rehetra: na Paoly, na Apolosy na Kefasy … dia anareo izany rehetra izany” (1 Korintiana 3.21, 22). Noho izany, dia tokony hankafỳ ny fanompoana rehetra araka ny fanomezam-pahasoavana nomen’ny Tompo antsika isika, fa tsy hisafidy olona iray fotsiny mba “ho mpanompontsika”, ary manilika ny sisa rehetra.

Ny mpitondra

Raha misy mpitondra sy rahalahy mitana ny toerana voalohany ao amin’ny Eglizy sy ny fivoriana isan-toerana, ampiasain’Andriamanitra mba hitondra fitahiana sy hitarika ny vahoakany, dia efa voalazan’ny Soratra Masina izany. Ny Asa 15.22 dia miresaka an’i Joda sy Silasy hoe lehilahy “samy tsara laza eo amin’ny rahalahy”; ao amin’ny Hebreo 13.7, dia misy izao fananarana izao: “Tsarovy ny mpitondra anareo, izay efa nitory ny tenin’Andriamanitra taminareo”. Aoka ho marihina anefa fa ireo tsongandahatsoratra ireo dia mampiasa ny filazana maro, fa tsy milaza rahalahy notendrena ara-pomba ofisialy ho mpitondra, fa kosa olona ampiasain’ny Fanahy Masina ho toy izany. Ny Fanahy Masina irery ihany no tokony ho mpitondra ary tokony avela hanana fahalalahana hampiasa izay tiany izy.

Fanavahana hatao amin’ireo fivoriana

Ny tianay ho resahina dia ny fahasamihafan’ny fivorian’ny fiangonana amin’ny maha-fiangonana azy (fanompoam-pivavahana sy fanasan’ny Tompo, vavaka, na tanjona hafa mety hivorian’ny fiangonana) sy ny fivoriana izay hanatanterahan’ny mpanompon’i Kristy ny fanompoany araka ny andraikiny avy (fitoriana ny filazantsara, sekoly alahady, fivoriana manokana handraisan’ny rahalahy sasany fitenenana hampianarana sy hampandrosoana ny mpino). Ireto farany ireto, izay atao na karakarain’ny olona izay nametrahan’ny Tompo tao am-pony izany asa izany, sy nofanina ho amin’izany, dia manana toetra hafa noho ny fivorian’ny fiangonana ary andraikitra manokana ho an’ireo nikarakara azy. Mety ho ataon’ny olona iray na maromaro miara-miasa izany, fa amin’ireo fivorian’ny fiangonana kosa ho fanompoam-pivavahana, ho fivavahana sy ho fianarana ny Teny, na amin’ireo fivoriana tsotra hanaovana fanompoana, izay rahalahy rehetra tian’ny Fanahy ampiasaina dia mahazo mandray anjara.

Izay isan’ny vahoakan’Andriamanitra rehetra dia mpisorona avokoa, ary afaka manatona ny toerana masina mba hanao fanompoam-pivavahana sy vavaka; noho izany, ny rahalahy rehetra (ny vehivavy dia tokony hangina ao amin’ny fiangonana araka ny 1 Korintiana 14.34) dia afaka midera ny Tompo am-bava mivantana ary mitondra ny mpino ho amin’ny fivavahana sy ny vavaka. Manoratra i Petera fa ny mpino dia atsangana “ho fisoronana masina, hanatitra fanati-panahy sitrak’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy”, ary koa “fanjaka-mpisorona” (1 Petera 2.5, 9).

Manantena izahay fa ireo andàlana ireo dia afaka hanampy ny mpamaky anay mba hahatsikaritra mazava kokoa ny hevitr’Andriamanitra momba ny fanompoana ao amin’ny Eglizy. Hisy hanontany angamba hoe: “Azo atao ve izany? Ahoana no ahatanteraka izany?” Ny valinteninay dia hoe “Azo antoka tokoa fa mety. Efa notanterahana tany amin’ireo fiangonana ao amin’ny Testamenta Vaovao izany, ary mbola tanteraka ankehitriny, ary mitondra fahasoavana manerana izao tontolo izao ho an’ireo fiangonana marobe izay manaja ny foto-kevitra ambaran’ny Soratra Masina”.

Page 14:  · Web viewTOKO 3 Ny fiangonana : Ny fisehoany isan-toerana 3.1 Ny fototry ny fivoriana araka ny Soratra Masina

53 Loholona, mpitandrina ary diakona

3.5 Loholona, mpitandrina ary diakona

Ny “loholona” dia voambolana avy tamin’ny andron’ny patriarka teo amin’ny Isiraely (Eksodosy 3.16). Ny fianakaviana no modelin’ny fitondram-panjakana ary teo amin’ny fianakaviana, dia ny ray, amin’ny maha-zokiolona azy, no nanana ny fahefana. Hita tao amin’ny firenena koa izany, ka ny lohan’ny fianakavianano tonga lohan’ny firenena; amin’izay dikany izay no ahitantsika ny fampiasana matetika an’io voambolana io ao amin’ny filazantsara sy ny Asa (Matio 26.3,47; Asa 4.5,8). Ao amin’ny Asa 11.30, dia ampiharina voalohany amin’ireo mpitondra tao amin’ny fiangonan’Andriamanitra io voambolana io, ary taorian’izay, dia matetika fampiasa izy.

Ny manam-pahefana teo amin’ny Jiosy, ny filoha, dia nitondra ny anarana hoe loholona, araka ny nahitantsika azy. Io voambolana io dia entina iantsoana olona izay efa nahazoazo taona ary tsy miankina amin’ny asa iandraiketany izany, toy ny hita ao amin’ny 1 Timoty 5.1,19; 1 Petera 5.1; 2 Jaona 1; 3 Jaona 1. Ny taona no mampahay ny olona hanao ny asan’ny mpitandrina, ary tamin’ireo loholona ireo no nifidianan’ny apostoly eveka, na mpitandrina (mitovy ny dikan’ireo voambolana roa ireo). Ny voambolana “loholona” izany dia manambara ilay olona, ary ny “eveka” na “mpitandrina” ny andraikitra sahaniny. Ny 1 Timoty 3.1 dia miresaka ny fitandremana ary ny Titosy 1.5-7 kosa dia manambara fa ny loholona sy ny mpitandrina dia mitovy ihany.

Ny mpitandrina sy ny mpanompo dia nanana andraikitra teo an-toerana tao amin’ny fiangonana, ary tokony avahana amin’ny fanomezam-pahasoavana izany andraikitra izany. Mety ho nanana na tsy nanana ny fanomezam-pahasoavana ho mpitory teny na mpampianatra izy ireo. Tsy niankina velively tamin’ny andraikiny manokana izany fanomezam-pahasoavana izany. Mety ho nisy, ary nisy tokoa, loholona maro sy mpanompo tao amin’ny fiangonana iray, nefa tena nalalaka tokoa ny fahafahana hampiasa ny fanomezam-pahasoavan’ny olona rehefa tafavory ny fiangonana. Tsy anjaran’ny loholona ny mitantana ny fivoriana fa ny anjarany kosa dia ny mitandrina, mamahana ny andian’ondrin’Andriamanitra ary mikarakara izany (Asa 20.28).

Fanendren’ny apostoly

Ao amin’ny Asa 14.21-23 no ahitantsika ny voalohany amin’ireo tranga taterin’ny Soratra Masina hoe nifidianana loholona7 .Nisy fiangonana voarafitr’ireo olona tsy jiosy izay naorina taorian’ny asa misionera nataon’i Paoly sy Barnabasy. Rehefa avy nitory ny filazantsara tany amin’ny tanàna samihafa izy ireo, dia niverina namangy indray ireo tanàna efa niasany, toy an’i Lystra sy Ikonioma ary Antiokia, nampahery ireo mpianatra, nananatra azy haharitra amin’ny finoana, ary “nanendry loholona teo amin’ny isam-piangonana”, fa tsy tao amin’ny fiangonana vao niorina. Mila fotoana hivoarana ny fahaizana ara-moraly sy ara-panahy ary mila fotoana koa vao miseho ireo olona izay nandray ny fahendrena sy ny fahaizana hanao ny asan’ny mpitandrina na mpitondra ao amin’ny Fiangonan’Andriamanitra. Ireo toetra tsy maintsy ilaina ireo dia omena ao amin’ny 1 Timoty 3 sy Titosy 1.6-9.

Nefa mariho hoe iza no nanendry ireo loholona teo amin’ireo fiangonana ireo. Tsy ny fiangonana no nifidy sy nanendry ny loholona ao aminy, toy ny fanao ankehitriny. Ny apostoly Paoly sy Barnabasy no nanao izany. Ny fahefan’ny apostoly no nifidy azy ireo.

Mariho koa fa ao amin’ny Titosy 1.5, izay hany tsongandahatsoratra hafa ao amin’ny Soratra Masina izay hiresahana amintsika ny fanendrena loholona, dia i Titosy no niandraikitra io fifidianana io tao amin’ny fiangonana tany Kreta, araka ny nandidian’i Paoly azy. Azo tsoahina amin’izany angamba fa nametraka loholona koa i Timoty, amin’ny maha-iraky ny apostoly azy, satria ny apostoly no nanome azy ireo didy momba ny toetra tsy maintsy ananan’ireo loholona; nefa tsy volaza mazava fa nanao izany izy.

Tsy misy io fahefana io ankehitriny

Ny hitantsika ao amin’ny Soratra Masina iray manontolo izany dia ny apostoly ihany, na ny irany, no nanana fahefana hanendry loholona. Ankoatr’izany, tsy misy tsongandahatsoratra milaza fa io fahefana nananan’ny apostoly hanendry loholona io dia nitohy taorian’izy ireo. Tsy misy didy navela ho an’i Titosy na i Timoty momba izany; tsy nasaina nanohy nametraka loholona i Titosy taorian’ny fahalasanan’ny apostoly.

7Diso ny fandikana sasany milaza hoe “nasaina nanendry” (na nifidy) , izay manome io andraikitra io ho an’ny fiangonana, nefa ny fomba firafitry ny fitsipi-panoratana dia milaza fa i Paoly sy Barnabasy no nanao io hetsika io; ara-bakiteny: “nanendry ho azy ireo loholona teo amin’ny isam-piangonana…” Fanamarihan’ny mpandika

Page 15:  · Web viewTOKO 3 Ny fiangonana : Ny fisehoany isan-toerana 3.1 Ny fototry ny fivoriana araka ny Soratra Masina

54 Loholona, mpitandrina ary diakona

Tsy nanana fahefana hanendry izay tiany koa izy, satria ny apostoly dia nametra ny sahan’ny iraka nampanaovina azy — i Kreta irery ihany. Nirahin’ny apostoly hametraka loholona tany Kreta izy, ary afaka nampiseho taratasy nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra izay manome azy manokana izany andraikitra izany. Iza no voairaka toy izany ankehitriny?

Ankoatr’izany, tsy misy filazana mihitsy ao amin’ny Soratra Masina momba ny fiangonana iray izay nifidy sy nanendry ny loholona tao aminy. Ho famintinana ireo zavatra tsy azo iadian-kevitra nolazaina teo aloha ireo, dia manamafy izahay fa tsy misy olona na vondron’olona eto an-tany manana fahefana hametraka loholona, ary izany fahaizana na fahefana izany dia tsy nomena na oviana na oviana ny fiangonana.

Inona izany no tokony atao? Tsy tokony hisy ve ny loholona sy ny mpitandrina ao amin’ny Fiangonan’Andriamanitra ankehitriny? Isaorana Andriamanitra fa misy izany; nefa tsy napetraka (ary tsy azo apetraka) ara-pomba ofisialy ho toy izany izy ireo satria tsy misy fahefan’ny apostoly hanao izany intsony.

Ny Fanahy Masina no manendry

Ny Asa 20.28 no manazava amintsika ny momba ny hevitr’Andriamanitra ho an’izao vaninandro izao. Hoy i Paoly raha niresaka tamin’ireo loholona tao Efesosy izy: “Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanaovan’ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina, hiandrasanareo ny fiangonan’Andriamanitra”. Andriamanitra Fanahy Masina irery ihany no afaka manome fahaizana sy manendry olona ho mpitandrina ny andian’ondry ary mbola manao izany Izy ankehitriny. Mino izahay fa tamin’ny nametrahan’i Paoly na Titosy loholona, dia ny hery sy ny fahefan’ny Fanahy Masina mivantana no nanaovany izany, ary ny safidin’izy ireo dia tokony ho raisin’ny fiangonana ho toy ny avy amin’Andriamanitra.

Tsy manana apostoly na olona nirahin’ny apostoly intsony isika manana izany fahefana izany, fa afaka mitoky amin’ny Fanahy Masina kosa: hampiseho olona mahay sy mahavita zavatra izy; hanome azy ireo hery hiahy ny andian’ondry izy ary hiandry ny zanak’ondry sy ny ondry. Ny Fanahy Masina no niasa tamin’izany fotoana izany, ary izy koa no mbola tokony hiasa ankehitriny. Raha Andriamanitra no manangana olona iray na maro ao amin’ny fiangonana iray, mba hikarakara ny mania, hampitandrina ny tsy manara-dalàna, hampionona ireo izay kivy, hanoro hevitra, hananatra, hitarika fanahy, dia tena tokony ho ekentsika amin’ny fankasitrahana tokoa izany olona izany ary hajaintsika fatratra noho ny asany. Tokony ho tiavintsika izy ireo ary ekena fa napetraka teo amintsika ao amin’ny Tompo (1 Timoty 5.17). Manao ny asa ilaina amin’ny fitandremana izy ireo ary tokony hajaina noho izany, na dia tsy voatendry ara-pomba ofisialy ho amin’izany asa izany aza, satria tsy misy fahefana afaka manao izany.

Tsy mety ve raha miteny isika amin’izao fotoana izao hoe, satria tsy apostoly, dia tsy afaka mihambo hanao izay andraikitry ny apostoly isika: dia ny manendry loholona? Nefa amin’ny fo tokoa no hanekentsika ireo olona manana ny toetra ilaina hanaovana izany asa eo an-toerana izany, ary manatanteraka izany. Mety ho mahagaga izany ho an’ireo mpamaky sasany zatra mahita ny fiangonana manendry loholona, nefa angatahinay izy ireo mba handinika ny Soratra Masina raha izany no zava-misy na tsia.

Torolàlana ho amin’izao vaninandro izao

Raha mamaky tsara ny Baiboly isika, dia ho hitantsika ao amin’ireo epistily fa misy toe-javatra mitovy amin’ny misy ankehitriny, izay be tsy fahatanterahana, izay ambara amintsika ho fanampiana sy ho tombontsoa. Ny Tompo, amin’ny fahendreny, dia namela ny hisian’ny hadisoana toy izany izay namela takaitra tamin’ny Eglizy tany am-boalohany. Noho izany, dia voatery nanoratra tamin’ireo fiangonana tsy nanana loholona ny apostoly, toy ny epistily ho an’ny Tesaloniana na ho an’ny Korintiana, ohatra. Ny fiangonana tany Korinto dia tena tao anatin’ny korontana tokoa, ary azo eritreretina hoe nila loholona izy ireo. Nefa tsy ahitana safeliteny kely akory momba ny loholona ao amin’ireo taratasy rehetra nosoratana ho azy ireo.

Be ny fanomezam-pahasoavana tao amin’io fiangonana io, fa tsy nisy loholona kosa teo aminy. Nefa ny ankohonan’i Stefanasy dia efa nanolo-tena ho amin’ny fanompoana ny olona masina, ary mangataka amin’ny rahalahy ny apostoly mba hanaiky ny olona toy izany, sy izay rehetra miara-miasa sy mikely aina (1 Korintiana 16.15-16). Toy izany koa, ao amin’ny 1 Tesaloniana 5.12-13, dia misy famporisihana lehibe tokoa omena ny mino; na dia vao tsy ela aza no niorenan’io fiangonana io,

Page 16:  · Web viewTOKO 3 Ny fiangonana : Ny fisehoany isan-toerana 3.1 Ny fototry ny fivoriana araka ny Soratra Masina

55 Loholona, mpitandrina ary diakona

dia namporisihana izy ireo mba hanaiky ireo izay miasa eo aminy. “Ary mangataka aminareo izahay, ry rahalahy, mba hekenareo izay mikely aina eo aminareo sy mitondra anareo amin’ny Tompo ary mananatra anareo, ary mba hohajainareo indrindra amin’ny fitiavana izy noho ny asany”. Mety misy ary mety fantatra ireo izay mitarika amin’ireo olona masina, nefa tsy midika izany fa tsy maintsy ilaina ny manendry loholona. Ny torolàlana amin’ireo andinin-tSoratra Masina ireo dia manan-danja lehibe tokoa ho antsika ankehitriny, isika izay tsy manana loholona nomena andraikitra ara-pomba ofisialy.

Andriamanitra izany dia nanome torolàlana ireo fiangonana izay tsy nametrahana mpitandrina ara-pomba ofisialy, ary hitantsika amin’izany ilay fahendrena mahataka-davitra mba hiatrehana ireo olana miseho amin’ny vaninandro toy ny misy antsika, izay tsy hisian’ny fahefana etỳ an-tany intsony afaka mametraka loholona toy ny nataon’ny apostoly. Hitantsika koa — ary mampahery antsika izany — fa tany Korinto sy Tesalonika, izay tsy nisy loholona napetraka ara-pomba ofisialy, Andriamanitra dia nampitsangana avy teo amin’ny mpino olona nampiseho fahaizana ara-panahy mba hitarika sy hitondra, ary nanana fahefana hiatrika ny olana tao amin’ny fiangonana sy handresy ny ezaky ny fahavalo. Ao amin’ny taratasy nosoratana ho an’ny iray amin’ireny fiangonana ireny, dia mananatra ny apostoly mba hanekena ny olona toy izany, ary ao amin’ny taratasy ho an’ny fiangonana hafa iray koa, dia ambarany fa ireny olona ireny dia “mitondra anareo eo amin’ny Tompo”. Afaka mitoky amin’ny Tompo isika fa mbola hanome olona hanao izany andraikitra izany Izy ankehitriny, ary tsara raha ny olona rehetra ao amin’ny fiangonana no manaiky olona toy izany sy manaja azy.

Araka ny efa nambara, ny toetra tokony ananan’ny mpitandrina dia voalaza ao amin’ny 1 Timoty 3 sy Titosy 1.6-9. Mazava tsara izany ary tsy mila hohazavaina eto indray. Mila toetra tsara ara-moraly mafy orina ary fahaizana ara-panahy io fanompoana io.

Nefa aoka ho marihina, eto am-pamaranana io lohahevitra io, fa hoy ny apostoly: “Raha misy olona maniry ny asan’ny mpitandrina, dia maniry asa tsara izy” (1 Timoty 3.1). Ny asan’ny mpitandrina ao amin’ny fiangonana dia asa tsara ary tena ilaina tokoa, izay tokony irin’ireo rehetra manam-pahaizana hanao izany. Indraindray, dia tsy misy manana io andraikitra tsara io ao amin’ny fiangonana, ary mety hampiseho izany fa misy tsy firaikana sy tsy faniriana zavatra ara-panahy ao amin’ireo olona izay mazava fa tadiavin’ny Fanahy Masina ampiasaina. Noho izany, mety misy olona mila amporisihana ho tia hanao izany asa tsara sy tena ilaina izany. Izany no ataon’i Petera ao amin’ny epistily voalohany nosoratany, ao amin’ny toko faha-5: didiany ny loholona mba hiandry ny ondry nefa tsy an-tery, ary hanome ohatra ho an’ny sasany. Satro-boninahitra no ho valisoa avy amin’ny Mpanjaka Mpiandry ondry.

Diakona

Ny hany mbola horesahantsika izao dia ny momba ny toeran’ny “diakona” ao amin’ny fiangonana. Ny diakona dia mikarakara ny raharaha ara-nofo sy ny zavatra ilaina ao amin’ny fiangonana, raha ny raharaha ara-panahy no andraikitry ny loholona. Tsy misy miresaka ny diakona 8

raha tsy ao amin’ny Filipiana 1.1 sy 1 Timoty 3.8-13; ity farany ity dia manome ny toetra ilaina takiana amin’izy ireo.

Misy ohatra ny amin’ny fanompoan’izy ireo ao amin’ny Asa 6.1-6. Lehilahy fito, izay tsara laza, feno ny Fanahy Masina sy fahendrena, no nofidin’ny fiangonana tao Jerosalema ary napetraky ny apostoly mba hitondra ny fanampiana ho an’ny mpitondratena amin’ny fikarakarana azy isan’andro. Na dia tsy nantsoina hoe diakona aza izy ireo tamin’izany, dia izany marina no asa niandraiketany: mpanompon’ny fiangonana mba hisahana ny zavatra ara-nofo.

Marihintsika eto fa nofidin’ny fiangonana izy ireo ary napetraky ny apostoly tamim-pomba ofisialy. Raha ny marina tokoa, raha manome fanatitra vola na zavatra ny fiangonana, dia sitrapon’Andriamanitra ny hampandray anjara azy amin’ny fifidianana ireo olona izay heveriny fa mahay mizara ireo fanatitra ireo amin’ny tokony ho izy, amim-pahendrena sy saina tsara. Toy izany koa ankehitriny, afaka mifidy izay olona tiany hisahana izany asa ara-nofo izany ny fiangonana.

8Eto ny mpanoratra dia miresaka ny asan’ny mpanompo na diakona (amin’ny teny grika: diaconos) fa tsy ny fampiasana ankapobeny io voambolana io amin’ny fiantsoana ireo olona rehetra manompo, manao fanompoana. Fanamarihan’ny mpandika

Page 17:  · Web viewTOKO 3 Ny fiangonana : Ny fisehoany isan-toerana 3.1 Ny fototry ny fivoriana araka ny Soratra Masina

56 Ny fiangonana : ny fisehoany isan-toerana

3.6 Ny fahefana avy amin’Andriamanitra

Efa nojerentsika maimaika ihany io lohahevitra io tamin’ireo pejy teo aloha; nefa mety ho ilaina ny miverina amin’ny antsipiriany kokoa momba io fahefana ao amin’ny fiangonana io. Efa nomarihintsika fa ny Tompo mihitsy, izay nasandratra any an-danitra amin’ny maha-lohan’ny zava-drehetra Azy, no manatrika eo afovoan’ireo izay mivory amin’ny anarany, na dia roa na telo fotsiny aza izy ireo; Izy irery izany no mpitondra sy hany fahefana ara-dalàna ao amin’ny fiangonana.

Nefa tsy ny fanatrehan’ny Tompo sy ny Fanahy Masina ao amin’ny fiangonana ihany no fahefana; manana ny Teniny voasoratra koa isika, ny Soratra Masina, ho mpitarika sy ho fitsipi-pitondrantena, izay manambara mazava tsara ny hevitr’Andriamanitra sy ny sitrapony momba ny zavatra rehetra. Ny hevitr’Andriamanitra, ambara ao amin’ny Teniny, no lalàna, ary anjarantsika no mankatò io teny nomena tamin’ny tsindrimandry io ary notafiana fahefana, sy mandeha araka ny fitsipiny sy ny didiny. “Hoy Jehovah”, izany no fitsipika avy amin’Andriamanitra ho an’ny Fiangonan’Andriamanitra velona, ary, eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina, dia ampy tanteraka izany ho an’izay fanapahan-kevitra tsy maintsy raisina.

Satria manana ny Teny nomena tamin’ny tsindrimandry isika, izay manome antsika ny torolàlana rehetra momba ny hevitr’Andriamanitra sy ny làlana faritany ho an’ny olony, inona no hilantsika fanekem-pinoana sy fitsipika? Ny tenin’ny olombelona ve afaka maneho mazava kokoa ny fahamarinana noho ny tenin’Andriamanitra? Tsia dia tsia. Tsy mila afa-tsy ny Baiboly iray manontolo isika, ary tsy mila mihoatra noho izany. Manana ny Fanahy Masina koa isika, izay nanome io Teny io, eo amintsika mba hanazava izany ary mba hitarika antsika amin’ny fampiharana azy amin’ireo olana sy tranga amin’ny vaninandro iainantsika.

Ny andininy 18 ka hatramin’ny 20 ao amin’ny Matio 18 no mampianatra antsika fa ny Tompo koa dia nanome fahefana ny fiangonana mivory amin’ny anarany mba hampihatra ny fifehezana, mba hamehy sy hamaha, maka fanapahan-kevitra izay ekena any an-danitra. “Lazaiko aminareo marina tokoa, na inona na inona fehezinareo etỳ ambonin’ny tany dia hofehezina any an-danitra, ary na inona na inona vahanareo etỳ ambonin’ny tany dia hovahana any an-danitra … fa na aiza na aiza hiangonan’ny roa na telo amin’ny anarako, dia ao afovoany Aho”.

Na aiza na aiza misy azy ireo, dia eo afovoaniny ny Tompo ary manome azy ny lanja rehetran’ny fahefany ho an’ireo roa na telo mivory amin’ny anarany. Izay feheziny na vahany etỳ ambonin’ny tany, arakaraka ny zava-misy, dia voafehy na voavaha any an-danitra. Ekena ny fahefany hanapa-kevitra. Io no fahefana nomen’ny Tompo ny fiangonany, fahefana hanao zavatra ho Azy, amin’ny anarany, etỳ ambonin’ny tany. Hotanisaiko ny tenin’olon-kafa: “Inona no tena fahefana, ny tena loharanon’ny fahefana, ho amin’ny fifehezana? Ny fanatrehan’i Jesoa: ny fifehezana dia tsy hoe hetsika ataon’ny fikambanana mahaleo tena izay manala olona iray tao aminy; fa hetsiky ny fivoriana araka ny hevitr’Andriamanitra, amin’ny anaran’i Jesoa, ary manao zavatra amin’ny anarany sy miaraka amin’ny fahefany, mba hitandroana ny fahamasinana mendrika izany anarana izany. Ny vesatry ny fanapahan-kevitry ny fiangonana dia tsy avy amin’ny latsa-bato na ny fitsaran’ny tsirairay amin’ireo isany, fa avy amin’ny fanatrehan’ny Tompo azy ireo rehefa mivory izy.” (J.N. Darby).

Tsy hoe tsi-refesi-mandidy ny fahefany

Na izany aza, mety ho diso ny fiangonana; mety ho diso izy amin’ny fitsarany sy ny zavatra ataony. Raha tsy mibanjina ny Tompo izy, dia miasa araka ny nofo fa tsy araka ny Fanahy ary tsy hahatakatra ny hevitry ny Tompo izay eo afovoany. Tokony hanaiky foana ny fahefan’Andriamanitra nambara ao amin’ny Soratra Masina izany izy. Tsy nanome fahefana tsy misy fepetra sy tsy refesi-mandidy ny fiangonana ny Tompo; tsy afaka mihetsika tsy miankina Aminy izy na manilika na mihoatra ny sitrapony izay mazava tsara ao amin’ny Teniny. Misy fepetra izany ilay teny fampanantenana. Raha miandrandra Azy ny fiangonana ka misy ny fanekena ny Teny ao amin’ny Fanahy, Teny izay voasoratra hampiposaka ny fahazavany amin’ny tranga sy amin’ny olona, dia hampiseho ny heriny sy ny fahasoavany ny Tompo, izay manatrika eo afovoany; hitarika ny mpandefitra amin’ny marina Izy ary hampianatra azy ireo ny làlany (Salamo 25.9).

Mifandraika amin’izany tanteraka ny nosoratan’i W. Kelly momba io lohahevitra io. Hotanisainay ho an’ny mpamaky izany:

“Natokana ho an’ny anti-eglizy ny fitakiana ny fahefana tsy misy mpanohitra, ary miaraka amin’izany, ny tsy mahamety diso azy. Rehefa misy tsy fitovian-kevitra eo amin’ny mpino, dia hadalana ny hitakiana toetra tsy misy raha tsy miombon-kevitra noho ny herin’ny Fanahy Masina izy. Ary ny apostoly dia mandà ny fahefana norombahin’ny papa romana, dia ny hoe, clave errante9 , mamehy ny fanapahan-kevitra.

9Na dia diso aza ny fanalahidy, na tsy mandeha aza ny fanalahidy

Page 18:  · Web viewTOKO 3 Ny fiangonana : Ny fisehoany isan-toerana 3.1 Ny fototry ny fivoriana araka ny Soratra Masina

57 Ny fahefana avy amin’Andriamanitra

Ny vokatr’izany, na ho ela na ho haingana, dia fanapotehana fa tsy fanorenana. Tsy i Kristy izany, fa fangalaram-pahefana nataon’olombelona, ary raha azo lazaina aza, dia fianaran-ko hendry.

“Na olona tokana no mibodo io fahefana io, na fiangonana iray, na koa, araka ny foto-kevitra izay diso fantatra loatra, ny lehiben’ny eglizy miaraka amin’izay misolo tena azy amin’ny ankapobeny, dia tsy mari-pototra io hambo io ary manohintohina ny voninahitry ny Tompo. Misy fepetra tsy maintsy arahina amin’ilay teny fampanantenana, fa tsy hoe manome fahefana tsy refesi-mandidy izy; ary tsy nisy mihitsy hadisoana hita maso raha tsy rehefa tsy tanteraka io fepetra io; ary tamin’izany, amin’ny maha-mahatoky ny Tompo, dia tsy nanaiky Izy. Mba hahamarina azy tsy misy fepetra, dia tokony tsy ho afaka ho diso koa ny fiangonana, nefa na ny apostoly aza tsy mahatanteraka izany, fa Andriamanitra irery ihany no mahavita izany.Andriamanitranohitarika ny mpandefitra amin’ny marina ary hampianatra azy ny làlany, ary tanterahiny izany ankehitriny ao amin’ny fiangonana amin’ny fanatrehany sy ny fandraisany an-tànana izany fampianarana izany; ary izany, na dia toa tsy misy zavatra sarotra saintsainina kokoa noho izany aza, manoloana ny sitrapo samihafan’ireo olona marobe, izay samy te-handeha amin’ny làlany avy. Nefa manatrika eo afovoan’ny olony Izy, mba hampiseho ny heriny sy ny fahasoavany rehefa tena miandrandra Azy ireo, ka misy ny fanekena amin’ny Fanahy ny teny voasoratra, izay mampiposaka ny fahazavany amin’ny tranga sy amin’ny olona; noho izany, ny rehetra dia hihetsika, tsy terena na am-pihatsaram-belatsihy, amin’ny fiombonana tanteraka sy amin’ny fatahorana an’Andriamanitra, ary hiseho ny sitrapo manokan’ireo izay tsy mitovy hevitra, na vitsy izy ireo na maro.

“Nefa ny fieritreretana fa ny fanapahan-kevitra noraisina dia tsy azo hiverenana intsony, satria izay no hevitry ny maro na koa hevitry ny fiangonana iray manontolo mihitsy aza, na dia mandà ny mampitombina sy maha-marina izany aza ny zava-misy, dia tsy hoe fizirizirin-tsaina fotsiny (tsy milaza aho hoe: tsy mivaona amin’ny lojika fotsiny), fa tena fikomiana tsy ara-dalàna amin’Andriamanitra. Raha izany no miseho, na dia tena mampangaihay aza — ary tena mampangaihay ny fiangonana ny fiaikena fa nandeha haingana loatra izy ka diso tamin’ny fiheverany fa nanana ny hevitry ny Tompo, kanefa nanao izany satria tratry ny fitaomana mamitaka nataon’ireo mpitondra manana eritreritra masaka an-tsaina mialoha na satria malemy ny andian’ondry ka aleony manaraka ny riana mba hitandroana ny filaminana ankapobeny na inona na inona vidin’izany, na satria teo daholo ireo antony roa ireo na misy hafa koa aza — ny zavatra hany tokony hatao mba hahafaly ny Tompo, dia ny manaiky ilay fahadisoana, raha vantany vao fantatra, ny miaiky izany sy ny mandà izany ampahibemaso toy ny tamin’ny nanaovana azy — izany no adidintsika amin’ny Tompo sy amin’ny fiangonana, na koa amin’ireo olona (na vondron’olona, raha izay no zava-misy) voakasika manokana. Ny fiarovana ny endrika ivelany noho ny fiheverana olona, na dia manan-kaja toy inona aza izy, nefa diso sy nitarika ny sasany ho any amin’ny làlan-diso, ny fampiasana angesongesom-piteny na ny mampahatsiahy manjavozavo ny momba ny fahamarinana sy ny zo mba hanaronana fahadisoan-kevitra efa mazava izao, dia tsy mendrika an’i Kristy na ny mpanompony. Lavitr’izany mihitsy ny fihetsiky ny apostoly: raha tao amin’ny fiantombohan’ny epistiliny (2 Korintiana) izy no niaro tena fa tsy mihambo ho tompon’ny finoan’ny olona masina, dia asehony any amin’ny farany kosa ny faniriany an-kitsimpo — na dia nohamavoana aza izy ary nampalahelo azy tokoa izany — ny tsy hampiseho fahasiahana, raha azo atao, amin’ireo olona nanome antony hampiarany izany, fa kosa hampiasa ny fahefana nomen’ny Tompo azy mba ho fananganana fa tsy ho fandravana” (2 Korintiana 13.10). Fanamarihina momba ny 2 Korintiana.

Ajanontsika eo aloha ny momba ny fifehezana sy ny hetsiky ao amin’ny fiangonana mba hamehy sy hamaha, satria mbola hiverina amin’izany isika rehefa mandinika ny fifehezana ao amin’ny fiangonana.

Zavatra fito avy amin’Andriamanitra

Efa niato kely nijery ilay andininy mampitolagaga ao amin’ny Matio 18 isika teo aloha; nefa satria eo anoloantsika indray izy io amin’ireo pejy teo aloha ireo, dia tianay ny hampivoitra ny harena misy ao amin’io tsongandahatsoratra feno teny fampanantenana io. Nolazaina matetika fa misy zavatra fito avy amin’Andriamanitra hita ao:

1- na aiza na aiza: toerana araka an’Andriamanitra2- roa na telo: tarehimarika araka an’Andriamanitra3- mivory: herin’Andriamanitra (vorian’ny Fanahy Masina)4- amin’ny anarako (na: ao amin’ny anarako): anarana sy tanjona avy amin’Andriamanitra

mba hivoriana5- Aho: olona avy amin’Andriamanitra6- Ao: fanatrehan’Andriamanitra

Page 19:  · Web viewTOKO 3 Ny fiangonana : Ny fisehoany isan-toerana 3.1 Ny fototry ny fivoriana araka ny Soratra Masina

58 Ny fahefana avy amin’Andriamanitra

7- Afovoany: ivo avy amin’Andriamanitra.

Enga anie ny fontsika ho diboky ny fahafenoan’io teny fampanantenana tsotra nefa mampitolagaga nataon’ny Tompo io, izay mbola ampy tanteraka !

Page 20:  · Web viewTOKO 3 Ny fiangonana : Ny fisehoany isan-toerana 3.1 Ny fototry ny fivoriana araka ny Soratra Masina

59 Ny fahefana avy amin’Andriamanitra

3.7 Ny fivorian’ny fiangonana

Tamin’ny fandinihintsika ny fomba fisehoan’ny Fiangonana isan-toerana, dia nojerentsika hatreto ny sasantsasany amin’ireo foto-kevi-dehibe tokony hijoroany sy hamehy ny fiangonan’Andriamanitra mivory araka ny Soratra Masina.

Voalohany, ny fototra tokony hivoriany dia ny Tena irery ihany, Tena izay irafetan’ireo mpino rehetra, mpino izay mifanaiky sy mifandray ho toy ny isan’izany tena ara-panahin’i Kristy izany, ary tsy manaiky anarana hafa.

Faharoa, ireo mpino ireo dia tokony hivory amin’ny anaran’ny Tompo Jesoa, ary Izy irery no eo afovoany, ka mihazona io anarana sarobidy io fa manilika ny anarana hafa rehetra.

Fahatelo, tokony hanana ny toerana ampovoany ny Tompo, amin’ny maha-mpitondra avy amin’Andriamanitra Azy; tokony hekena ny fanatrehan’ny Fanahy Masina, ary tokony hiankina aminy hitarihany ny tsirairay sy hizarany ho an’ny tsirairay araka ny sitrapony.

Fahefatra, ny fanompoana sy ny fitaizana ara-panahy ao amin’ny fiangonana dia tokony ho tontosaina, tsy ataon’olona iray — mpitandrina notendrena ara-pomba ofisialy — fa amin’ny alalan’ireo fanomezam-pahasoavana nomen’i Kristy ny Eglizy, isan’ny tena izay mifampandroso, eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina, amin’ny fahefany sy ny heriny.

Fahadimy, ny asa fitandremana ao amin’ny fiangonana dia tokony hataon’ireo olona manana ny fahaizana ara-moraly sy ara-panahy ananan’ny loholona, atsangan’ny Fanahy Masina sy tarihiny ho amin’izany asa tena ilaina izany. Ny asan’ny diakona10 dia tokony ataon’ireo nofidin’ny fiangonana hanao izany.

Fahenina, ny fahefana entina miasa dia avy amin’ny Tompo izay eo afovoan’ny fiangonana, ary avy amin’ny Tenin’Andriamanitra izay mandahatra ny asan’ny fiangonana.

Ireo foto-kevitra ireo no manome antsika ny rafitra sy ny fomba fizotra araka an’Andriamanitra, momba ny fisehoan’ny Fiangonan’Andriamanitra isan-toerana. Afaka mijery ny fivoriana samihafa ataon'ny fiangonana isika izany izao. Nefa alohan'ny handinihana azy an-tsipiriany, dia hanopy maso amin’ny fiangonana isan-toerana voalohany naorin’ny Tompo sy ny Fanahy Masina isika.

Ny Eglizy tany Jerosalema

Ao amin’ny Asa toko voalohany, dia mahita fivorian’ireo mpino tokony ho roapolo amby zato isika, tao amin’ny efitrano ambony rihana, taorian’ny nampakarana ny Tompo tany an-danitra (1.15). Tao, dia niray saina naharitra nivavaka izy ireo ary niandry ny fahatongavan’ny Fanahy Masina izay nampanantenaina. Tamin’ny andro Pentekosta, araka ny fampanantenana, dia nidina ny Fanahy Masina, ary noho ny Fanahy iray ihany, dia natao batisa ho tena iray izy rehetra (1 Korintiana 12. 13) ary feno ny Fanahy izy ireo.

Teo no nahaterahan’ny Eglizin’Andriamanitra sy namoronan’ny Fanahy Masina ny fiangonana voalohany teo amin’ny toerana iray. Tamin’ny voalohany, ny fiangonana niforona tao Jerosalema dia voarafitr’ireo Jiosy irery ihany, ary ny fahamarinana manokana momba ny fanantenana sy ny antso natao ho an’ny Eglizy dia tsy mbola fantatra. Nefa azontsika raisina ho toy ny fiangonana modely ho antsika io fiangonana io, amin’ny lafiny marobe. Izany no fiantombohan’ny Eglizy, ary mitondra fampianarana foana ny miverina any am-boalohany. Tao dia niasa ny Fanahy Masina, nandamina ny zavatra handeha amin’ ny tokony ho izy mba haharitra; izany no tokony hiverenantsika eo amin’io fotoana fiantombohana io mba hahafantarana ny marina.

Araka ny fitantarana avy amin’ny tsindrimandry natao ao amin’ny Asa 2, dia hitantsika mazava fa ny Fanahy Masina no mpitondra tao amin’ny fiangonana. Nanomboka nilaza momba ny zava-mahagaga nataon’Andriamanitra ny mpino, araka izay asain’ny Fanahy lazainy. Avy eo, i Petera, tamin’ny herin’ny Fanahy sy teo ambany fitarihany, dia nanambara tamin’ny vahoaka marobe ny fanomboana tamin’ny hazofijaliana, ny fitsanganana tamin’ny maty sy ny fanandratana an’io Jesoa izay nolaviny sy novonoiny io. Ny Fanahin’Andriamanitra no nampiasa ny teniny mba handresy lahatra ny fon’ny mpihaino momba ny ota, ary nahatonga ny fibebahana tao amin’ny fanahiny ho amin’ny famonjena izy. Avy eo, ireo izay nandray ny teniny dia natao batisa tamin’ny rano tamin’ny anaran’i Jesoa, ary nisy tokony ho olona telo arivo nanampy io fiangonan’ny mpino voalohany io.

“Ary izy ireo naharitra tamin’ny fampianaran’ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny famakiana ny mofo ary ny fivavahana”. Niombonany daholo ny fananany, naharitra tamin’ny fiombonana tao an-tempoly izy ireo, namaky ny mofo tany an-tranony, ary nihinan-kanina tamin’ny fifaliana sy ny fahatsoram-po (Asa 2.42-47).

10na: mpanompo. Jereo ny fanamarihana pejy 55

Page 21:  · Web viewTOKO 3 Ny fiangonana : Ny fisehoany isan-toerana 3.1 Ny fototry ny fivoriana araka ny Soratra Masina

60 Ny fahefana avy amin’Andriamanitra

Ny toetra lehibe nananany

Hitantsika amin’izany ny asa nataon’ity Fiangonana naorin’Andriamanitra tany Jerosalema ity, nandritra ireo fivoriana nataony. Tsara raha marihintsika ny lohahevitra sasantsasany izay nampiavaka ny fijoroany vavolombelona: ny mpino dia vavolombelon’i Kristy, araka ny tenin’ny Tompo ao amin’ny Asa 1.8. Hitantsika amin’ny antsipirihany ireo toetra ireo ao amin’ny Asa toko 1 sy 2.

1- Voalohany, niaraka izy ireo, niombona ary naharitra tamin’ny fivavahana.2- Tamin’ny Fanahy no nanaovana batisa azy ireo ho tena iray, feno izany Fanahy izany,

tarihiny ary voasalotra hery; vavolombelon’i Kristy Jesoa izy ireo.3- Rehefa nijoro ho vavolombelona izy ireo, dia naneho an’i Jesoa Kristy, niantso ny olona

hibebaka ary nanambara ny famelan-keloka amin’ny anarany. Niasa nitory ny filazantsaran’ny famonjena izy ireo tamin’izany.

4- Nanao batisa11 ireo olona nandray izany teny famonjena izany izy ireo; nanomboka nanantanteraka ny iraka nampanaovin’ny Tompo nitsangana tamin’ny maty izy ireo: manao mpianatra ny firenena rehetra sy manao batisa azy amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.

5- Manarak’izany, dia naharitra tamin’ny fiombonana tao amin’ny fampianaran’ny Apostoly izy ireo: ny fampianarana izay nomen’ny Tompo azy (ny Tenin’Andriamanitra), tamin’ny fiombonana miaraka feno fifaliana.

6- Namaky ny mofo isan’andro tao an-tranony izy ireo, ary tamin’izany dia nahatsiaro matetika ny Tompo tamin’ny fahafatesany ho azy ireo, araka ny nangatahiny (Lioka 22.19,20).

7- Niray saina koa izy ireo tamin’ny zavatra natao andavanandro teo amin’ny fiainana, niombona fananana ary nihinan-kanina tamin’ny fifaliana sy fahatsoram-po.

8- Naharitra niara-nivavaka izy ireo, ary nahita fitia tamin’ny vahoaka rehetra.

Be ny andinindininy momba io fiangonana tany Jerosalema io ao amin’ny toko manaraka ao amin’ny Asa, fa tsy afaka hivalampatra amin’izany isika eto.

Ireo no asan’ny Eglizy vao teraka. Ny Tompo anie hanampy antsika hiverina “amin’izay nisy tany am-boalohany”, ka ho hita hivory toy izany isika, amin’ny fahalalana ara-tsaina sy amin’ny fampihàrana izany. Azo lazaina fa ireo asa ireo dia ny fipoirana ara-voajanaharin’ny toetra avy amin’Andriamanitra izay tao amin’ireo olona vao nateraka indray ireo, sy ny Fanahy Masina nonina tao amin’izy ireo. Io toetra vaovao io dia noana sy mangetaheta ny Tenin’Andriamanitra ary maniry fatratra ny hiara-hankafỳ ny harena avy amin’Andriamanitra. Miredareda ho amin’ny fivavahana sy ny fiderana an’Andriamanitra izy, hidera Azy sy hanovo hery vaovao; maniry ny hankatò ny Tenin’Andriamanitra izy, ary hizara amin’ny hafa ny ananany. Ny Fanahy Masina izay monina ao amin’ny mpino tsirairay dia faly mitarika azy amin’izany asa izany.

Hitantsika amin’izany fa ireo fanirian’ilay toetra vaovao ireo, izay ampitomboina sy vatsian’ny Fanahy Masina hery, dia mitarika ireo fanahy mino hivory manodidina ny Tompo ho amin’ny fampianarana, ny fiombonana, ny fankalazana, ny vavaka ary ny fitoriana ny Filazantsara. Noho izany, ny tanjona ara-voajanahary amin’ny fiantombohan’ny fivorian’ny fiangonana dia ireo zavatra samihafa ireo. Tokony izany no zava-misy, ary ao amin’ny Hebreo 10.24,25 no ahitantsika izao fananarana izao: “Ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara; aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon’ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro”. Tamin’ny voalohany, dia isan’andro ny mpino no mivory, nefa tsy nitohy izany. Ankehitriny, satria hitantsika manakaiky ny andro ratsy fialàna amin’ny finoana sy ny tsy fahamarinana, dia vao mainka ilaina ny mivory matetika miaraka amin’ireo olona mitovy finoana aminao.

Aorian’izay fampidirana milaza ny asan’ny Eglizy vao teraka tany Jerosalema izay, dia hodinihintsika amin’ny antsipiriany ireo fivoriana samihafa ataon’ny fiangonana.

11Satria ny batisa amin’ny rano dia manaraka ny finoana ny filazantsara ary misy ifandraisana amin’ny asa fitoriana ny filazantsara, dia tsy novelabelarinay io lohahevitra io amin’ireto hevitra momba ny Eglizy ireto. Ny batisan’ny Fanahy Masina no mampiditra ny olona ao amin’ny Eglizy, izay tenan’i Kristy. Nefa, ny hevitr’Andriamanitra voalaza ao amin’ny bokin’ny Asa dia mampiseho amintsika fa ireo olona voavonjy dia natao batisa tamin’ny rano, ary nekena ho isan’ny fiangonan’ny mpino teo an-toerana. Tsy misy olona afaka mitonona ho kristiana raha tsy vita batisa tamin’ny rano amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina izy. Midika izany fa tsy misy olona tsy vita batisa azo raisina handray anjara amin’ny Fanasan’ny Tompo ao amin’ny fiangonana, satria ny fanorenana ny batisa dia mialoha ny Fanasan’ny Tompo.

Page 22:  · Web viewTOKO 3 Ny fiangonana : Ny fisehoany isan-toerana 3.1 Ny fototry ny fivoriana araka ny Soratra Masina

61 Ny fahefana avy amin’Andriamanitra

1. Ireo fivorian’ny fiangonana ho amin’ny famakina ny mofo sy ny fanompoam-pivavahana

Araka ny efa hitantsika, ny fiangonana tany am-boalohany tao Jerosalema dia naharitra “tamin’ny fampianaran’ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny famakina ny mofo ary ny fivavahana” (Asa 2.42). Hitantsika amin’izany fa, ankoatry ny fiombonana, izay hampiharina amin’ny fivoriana rehetra sy amin’ny fiainan’ny mpino iray manontolo, dia misy toetra telo lehibe manamarika ny fiainam-piangonan’ireo mpino ireo: ny fampianarana, ny famakina ny mofo ary ny fivavahana. Azo antoka fa izany no nanamarika ny fivoriany rehetra tany am-boalohany; nefa raha niala tsikelikely tamin’ny finoana jiosy ny Eglizy, dia nisy ny fivoriana fanao ara-potoana nanana tanjona voafaritra.

Araka ny Asa 20.6,7 dia fantatsika fa nisy fivoriana fanao ara-potoana natao ny andro voalohany tamin’ny herinandro mba hamakina ny mofo. Paoly sy ny namany dia tonga tany Troasy ary nitoetra tao fito andro. “Ary tamin’ny andro voalohany amin’ny herinandro, rehefa niangona hamaky mofo izahay, Paoly dia nitory teny taminy”. Eto, amin’ny fotoana voafaritra tsara (ny andro voalohany amin’ny herinandro), ao amin’ny toerana voafaritra tsara, dia nivory ny mpianatra ary nanana tanjona voafaritra tsara (ny famakina ny mofo). Ny fehezan-teny ampiasaina eto dia mahatonga antsika hieritreritra fa fomba fanaony isan-kerinandro izany.

Ny anton’ny nivoriany dia tsy ny hahita ny apostoly na hihaino azy mitory teny akory, fa mba hamaky ny mofo, ny andro voalohany amin’ny herinandro — andron’ny fitsanganana tamin’ny maty, andro manambara ny herim-piainan’ny Tompo. Izany no fomba fanaony, ary nijanona fito andro tany Troasy i Paoly sy ny namany mba hahazo ilay tombontsoa manokana sarobidy hamaky ny mofo miaraka amin’ny mpianatra. Satria efa niangona noho izany antony izany izy ireo, dia nanararaotra i Paoly nampita hafatra ho an’ny mpino, satria handeha izy ny ampitso. Fa ny antony voalohany nivorian’izy ireo dia ny fahatsiarovana ny Tompo tamin’ny nahafatesany; io no ivon’ny fanompoam-pivavahany ary fanaony tamin’ny andron’ny Tompo, dia ny andro voalohany amin’ny herinandro.

Hitantsika amin’izany, ao amin’ny Asa toko faha-2 sy 20, fa ny iray amin’ireo fivorian-dehibe nataon’ny eglizin’ny apostoly dia ny fivoriana ho famakina ny mofo sy ho fanompoam-pivavahana, mba ho valin’ny fanirian’ny Tompo nolazainy tamin’ny alina namadihana Azy. Hitantsika koa fa tamin’ny voalohany izy ireo dia nivory isan’andro tao Jerosalema mba hahatsiarovana ny Tompo amin’ny famakina ny mofo ary tatỳ aoriana, dia lasa fomba fanao, tamin’ireo fiangonana niforona tany an-tany hafa, ny mivory isaky ny andro voalohany amin’ny herinandro mba hankalazana ny Fanasan’ny Tompo. Hoy ny Tompo tamin’ny alalan’i Paoly: “Fa na oviana na oviana ianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin’ny kapoaka, dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo ianareo mandra-pihaviny” (1 Korintiana 11.26); koa nataony matetika izany. Ireo kristiana voalohany ireo, tao anatin’ny famirapiratana sy ny fahavelombeloman’ny fitiavany voalohany, dia zatra namaky ny mofo mba hahatsiarovana ny Tompony amin'ny fo torotoro. Feno ny Fanahy Masina tanteraka izy ireo, hany ka Kristy foana no tao am-pony ary tamin-kafaliana no nihinanany izany hanina masina izany, araka ny tenin’ny Tompo mihitsy hoe io no tsangambato fahatsiarovana ny fahafatesany.

Mariho fa tsy hoe ny alahady voalohany tamin’ny volana na isan-telo volana, fa ny andro voalohany amin’ny herinandro no nivoriany hanao io fanompoana masina io, mba ho valin’ny fanirian’ny Mpamonjiny sy Tompony. Tsy hoe tsindraindray no hamakiny ny mofo, toy ny ataon’ny ankabeazan’ny kristiana ankehitriny, fa ara-potoana, isaky ny alahady. Izany no tokony ho fomba mahazatra antsika, raha te-hanaraka ny modely omen’ny Soratra Masina isika. Ireo kristiana voalohany ireo dia tia loatra ny Tompony, hany ka tsy nataony ambanin-javatra ny tsangambato sarobidy fahatsiarovana ny fitiavany, izay naoriny ny alina namadihana Azy. Ny ohatra nomen’izy ireo dia mampianatra antsika fa arakaraky ny hitiavan’ny mpino an’i Kristy sy ny Teniny sy ny mahafeno ny Fanahy Masina azy ireo, no hahitany fifaliana manatona ny latabany mba hahatsiaro Azy sy hanambara ny fahafatesany mandra-pihaviny. Satria Izy mihitsy no niteny hoe: “Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko” (Jaona 14.15).

Ny Fanasan’ny Tompo: inona no tanjony ?

Hitantsika izany fa ny Eglizy tany am-boalohany dia nivory ara-potoana ny andro voalohany amin’ny herinandro mba hamakina ny mofo, ary io fihaonana io no antony voalohany hivoriany (satria io ihany no hany tena nomarihina). Ka hijery amin’ny antsipiriany ny hevitra sy ny tanjon’ny Fanasan’ny Tompo isika izao. Ny Filazantsara no mampiseho amintsika ny fanorenana ny Fanasan’ny Tompo, ny Asa ny fanamarihana azy, ary ny epistily voalohany ho an’ny Korintiana ny fanazavana azy.

Ao amin’ny filazantsara nosoratan’i Lioka no hamakiantsika izao: “Ary nony tonga ny fotoana, dia nipetraka hihinana Izy mbamin’ny Apostoly. Ary hoy Izy taminy: Naniry koa raha naniry Aho hiara-

Page 23:  · Web viewTOKO 3 Ny fiangonana : Ny fisehoany isan-toerana 3.1 Ny fototry ny fivoriana araka ny Soratra Masina

62 Ny fahefana avy amin’Andriamanitra

mihinana ity Paska ity aminareo, dieny mbola tsy mijaly Aho … Ary nandray mofo Izy, ary rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy sady nataony hoe: Ity no tenako izay omena ho anareo; izao no hataovinareo ho fahatsiarovana Ahy. Ary araka izany koa ny kapoaka, rehefa vita ny sakafo, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin’ny rako, izay aidina ho anareo” (Lioka 22.14-20).

Izay no fotoana farany niarahan’ny Tompo tamin’ny mpianany alohan’ny nandehanany ho amin’ny hazofijaliana nanolorany ny tenany ho sorona noho ny fahotana. Eo no hanombohona ny vatany amin’ny hazofijaliana ary hitondrany “ny fahotantsika eo amin’ny hazo”, araka ny hilazan’i Petera azy atỳ aoriana. Eo no hisotroany ny kapoaky ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ny fahotana, ary halatsaka ny rany mba hanonerana ny fahotana. Fanekena vaovao miorina amin’ny fanavotana vita tanteraka no hasiany tombo-kase noho ny rany nalatsaka ho an’ny mpino rehetra. Avy eo, dia ho any amin’ny Rainy Izy ary tsy ho hita vatana intsony miaraka amin’ny mpianany.

Noho izany, taorian’ny fihinanan-kanina hariva tamin’ny Paska, dia nanorina ilay sakafo vaovao natao ho fahatsiarovana Izy, dia ny Fanasan’ny Tompo, izay hampahatsiahy azy ireo, sy ny mpino rehetra mandritra ny taonjato mifandimby, ny asa nataony ho azy ireo tao Kalvary. Ny mofo dia manambara ny vatana izay entiny mijaly sy hanaovany ny asa fanavotana, ary ny kapoaka no hampahatsiahy azy ireo ny rany nalatsaka teo amin’ny hazofijaliana noho ny fahotantsika12.

Inona izany no tanjona sy dikan’ny Fanasan’ny Tompo? “Izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy”: izany no teny soa izay nolazainy Izy tenany mihitsy. Fantany tsara ny fironan’ny fontsika hanalavitra Azy sy hifanalavirantsika, ary nomeny antsika io tsangambato fahatsiarovana Azy maty ho antsika io, mba tsy hitsahatra ny fahatsiarovantsika ilay fitiavana lehibe nomeny antsika sy ny famonjena mahagaga nataony ho antsika. Maniry Izy ny mba hananganantsika tsangambato fahatsiarovana ny fahafatesany eo amin’ity izao tontolo izao izay tsy mila Azy ity, tsy ho tsangambato natao tamin’ny vatovandana na famoronana lafo vidy tokoa nataon’ny mpahay soritrano, fa fihetsika tsotra fotsiny ho fahatsiarovana. “Izao no ataovinareo” (Lioka 22.19), hoy Izy. Fihetsika fankatoavana izany no notakiany tamintsika. Ry mpamaky kristiana malala, manao izany ve ianao?

Ny fanorenana ny Fanasan’ny Tompo dia tena zava-dehibe mihitsy, hany ka nisy fanambarana manokana nomen’ny Tompo ao amin’ny voninahiny ho an’i Paoly. Tantaraina ao amin’ny epistily voalohany ho an’ny Korintiana izany (11.23-29). Aseho mazava ao ny tanjon’ny Fanasan’ny Tompo, sy ny fomba tokony hankalazana azy.

Ho an’ireo izay mamaly ny fitiavan’ny fony naniry ny hahatsiarovana Azy amin’ny fomba izay nampianarany izy tenany mihitsy, ho an’ireo olona ireo dia misy teny mahatoky nomena: “Fa na oviana na oviana ianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin’ny kapoaka, dia manambara (amin’ny teny grika: maneho am-pahibemaso) ny fahafatesan’ny Tompo ianareo mandra-pihaviny (1 Korintiana 11.26). Izany no dikan’ny zavatra ataontsika, hahatsiarovana Azy rehefa mihinana ny mofo sy misotro ny kapoaka. Izany no fanambaràna ilay sorona sarobidy nataony ho fototry ny famonjena. Noho izany, isaky ny mivory ny mpino mba hahatsiaro ny Tompo amin’ny famakina ny mofo, dia ambaran’izy ireo amin’izany ny tranga feno voninahitra tamin’ny nahafatesan’ny Tompo ho an’ny mpanota sy ny famonjena azo noho ny ra nalatsany. Zava-mahagaga izany !

Fankalazana ny Fanasan’ny Tompo

Ny epistily ho an’ny Korintiana dia mampiseho amintsika fa ratsy ny zava-niseho tao amin’ny fiangonana tao Korinto, hany ka lehibe tokoa ny fikorontanana tao aminy amin’ny lafiny maro, ary indrindra indrindra amin’ny Fanasan’ny Tompo. Io toko faha-11 io dia mampiseho amintsika fa nivory tsy amin’ny tokony ho izy izy ireo, ary tsy nandray ny Fanasan’ny Tompo amin’ny tena dikany. Tsy maintsy nanoratra ho azy ireo toy izao ny apostoly: “Koa raha miangona ianareo, dia tsy misy hihinana ny Fanasan’ny Tompo akory. Fa raha mihinana ianareo, dia samy homana ny sakafony avy aloha ianareo; koa ny anankiray dia noana, fa ny anankiray kosa mamo” (and 20, 21).

12Tsy midika izany — toy ny hieritreretan’ny sasany azy sy hampianarany azy, izay diso tokoa — fa ao amin’ny Fanasan’ny Tompo, dia lasa tenany ara-bakiteny ny mofo, ary lasa rany ara-bakiteny ny ao anatin’ny kapoaka, hany ka toa mihinana marina ny tenany sy misotro ny rany isika toy ny zavatra hanadio kokoa antsika mba hahazoana ny lanitra ary mba ho famelàna ny fahotantsika. Mbola nanatrika ara-batana teo amin’izy ireo ny Tompo raha nanorina ny Fanasan’ny Tompo; azo antoka, fa tsy milaza Izy, satria mbola nanatrika teo ara-batana, fa hanome ny tenany ao amin’ny mofo, sy ny rany ao amin’ny kapoaka. Fa nieritreritra ny fotoana tsy haha-eo Azy intsony ara-batana Izy, ka nomeny ho azy sy ho an’ireo mpino rehetra mandritra ny fotoana hisian’ny Eglizy, ny mariky ny mofo sy ny kapoaka izay hamelombelona ao anatiny ny fahatsiarovana Azy sy ny fahafatesany teo ambony hazofijaliana. Raha niteny ny Tompo hoe: “Ity no tenako” sy “ity no rako”, dia nampiasa kisarisary Izy, toy ny fanaony matetika, toy ny fanaontsika koa raha mampiseho ny sarin’ny olona iray izay tiantsika isika ka milaza hoe: “Ity no reniko”, etsetra. Ny tiantsika holazaina amin’izany dia hoe ity sary ity dia mitovy amin’ilay olona tiantsika, fanehoana azy, ary izany teny izany dia tsy midika velively hoe azo raisina ara-bakiteny. Nefa dia marobe ireo olona izay namolaka ny fehezan-teny nolazain’ny Tompo — “Ity no tenako” — ary miziriziry fa ny mariky ny Fanasan’ny Tompo dia tena tonga marina , amin’ny filazan’ny pretra na ny pastora azy — ho vatany na rany ho an’izay mandray anjara.

Page 24:  · Web viewTOKO 3 Ny fiangonana : Ny fisehoany isan-toerana 3.1 Ny fototry ny fivoriana araka ny Soratra Masina

63 Ny fahefana avy amin’Andriamanitra

Toa nafangaron’izy ireo tamin’ny Fanasan’ny Tompo ny “agape”-ny (fiaraha-misakafo nataon’ireo kristiana voalohany); nihinana ny Fanasan’ny Tompo tamin’ny fomba tsy manaja sy tsy mendrika izany izy ireo, hany ka very tsy hita taratra ilay tena toetry ny Fanasan’ny Tompo. Hatramin’ny toetran’ny “agape” avy aza no nosimban’izy ireo tamin’ny fampidirana fanavakavahana saranga, ny mpanankarena nitondra zavatra betsaka ary nihinan-kanina tsara, fa ny mahantra kosa nanao sakafo ambany foitra sy noana.

Araka izany ny apostoly Paoly dia notarihin’ny Fanahin’Andriamanitra hanoratra amin’izy ireo ity epistily ity mba hanitsiana izany korontana rehetra izany. Io toko faha-11 io no manome antsika ny torolàlana manokana momba ny tanjon’ny Fanasan’ny Tompo sy ny fomba fankalazana azy amin’ny fahamasinana sy amin’ny fanajana. Io epistily ho an’ny Korintiana io dia nomanin’Andriamanitra hatao ao anaty Soratra Masina, ary hitantsika fa noho ny fahendreny, dia navelany hisy tao amin’ny Eglizy tany am-boalohany izany korontana izany; araka izany, amin’io epistily io no ananantsika torolàlana maharitra sy avy amin’Andriamanitra momba ny toe-javatra toy izany, ary fantatsika lalindalina kokoa ny heviny sy ny sitrapony. Vokatr’izany, tsy ny hanambaran’i Paoly amin’ny Korintiana izany hevitr’Andriamanitra izany momba ireo olana ireo ihany no notadiavin’Andriamanitra, fa tiany koa ny hitarika sy hampianatra ny Eglizy iray manontolo mandritra ny fotoana rehetra hisiany. Toy inona no tokony ho fisaorantsika Azy !

Ny andininy faha-23 dia mampiseho amintsika fa nisy fanambarana manokana nomena ny apostoly Paoly momba ny Fanasan’ny Tompo. “Fa izaho efa nandray tamin’ny Tompo izay natolotro anareo kosa”. Paoly dia tsy isan’ireo apostoly niaraka tamin’ny Tompo ny alina izay nanorenany ny sakafo fahatsiarovana, hany ka ho azy manokana no nanomezan’ny Tompo ireo fampianarana momba ny Fanasan’ny Tompo ireo. Tsy ilay Jesoa nanetry tena nandritra ny sakafo hariva tamin’ny Paska intsony no niteny, fa ilay Tompo any an-danitra, eo amin’ny seza fiandrianany feno voninahitra, no nanome an’i Paoly ireo antsipiriany amin’ny hevitr’Andriamanitra momba ny famakina ny mofo.

Tsy hiambahambana fa izany no mampiseho amintsika ny lanjan’ny Fanasan’ny Tompo amin’ny maha-fanorenana kristiana azy. Io lohahevitra momba ny Fanasan’ny Tompo io, ny nanorenan’ny Tompo azy ny alina izay namadihana Azy, ny tanjony avy amin’Andriamanitra amin’ny maha-hetsika fahatsiarovana azy, ary ny fomba mety hankalazantsika azy, izany rehetra izany dia tena mavesa-danja tokoa satria nataon’ny Tompo ho fanambaràna manokana.

Ao amin’io toko rehetra mikasika ny Fanasan’ny Tompo io, dia tokony ho marihintsika ny fampiasana matetika ny voambolana hoe Tompo, izay mampahatsiahy ny maha-manam-pahefana Azy. Miresaka ny amin’ny Fanasan’ny Tompo ny apostoly, ny amin’ny Tompo Jesoa, ny amin’ny fahafatesan’ny Tompo, ny amin’ny kapoaky ny Tompo, ny amin’ny tena sy ran’ny Tompo, ny amin’ny tenan’ny Tompo, ny amin’ny atao hoe faizin’ny Tompo. Tsotra ny anton’izany. Angamba hadinon’ny Korintiana fa Izy no Tompo, raha tsy izany tsy ho nirona amin’izao fikorontanana mahatsiravina nisy teo amin’ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo isaky ny andron’ny Tompo izao izy ireo.

Ilay ambaran’ny Fanasan’ny Tompo dia natao Tompon’ny rehetra ary tsy refesi-mandidy ny zony hanara-maso sy hanana fahefana amin’izay rehetra ananantsika sy izay maha-isika antsika. Tompon’andraikitra eo imasony amin’izay zavatra ataontsika isika, izay lazaintsika sy eritreretintsika, indrindra rehefa mahatsiaro Azy tamin’ny nahafatesany. Amin’izay lafiny izay, dia adinon’ny Korintiana ny Tompo, ka nataony ho fiaraha-misakafon’izy ireo tsotra fotsiny ny Fanasan’ny Tompo. Ny zavatra mahakasika azy ireo no tao an-tsainy ka tsy teo imasony intsony izay mikasika ny Tompo. Adinony ny fanatrehan’ny Tompo, hany ka very tanteraka taminy ny dikan’ny Fanasan’ny Tompo. Tsy maintsy izany no zava-miseho rehefa tsy tsapa ny fanatrehany. Tonga hatramin’ny fanambaniana ny Fanasan’ny Tompo ho toy ny sakafo andavanandro ny fahalavoan’izy ireo.Tsy maintsy naverina amin’ny fahatsapana ny maha-Tompo an’i Kristy izy ireo sy ny maha-masina ny Fanasan’ny Tompo. Izany no nahatonga an’i Paoly hanoratra ho azy ireo tamin’ny fomba hentitra sy manetriketrika tokoa, mba hampiverina ny fony amin’ny fankafizana an’i Kristy rehefa mamaky ny mofo.

Izany no hadisoana lehibe nandavo ny Korintiana; mila mahatsapa isika fa isika koa dia tandindomin-doza ho lavo toy izany ka hanao tsinontsinona sy hanakorontana ny fomba fandraisantsika anjara amin’ny Fanasana masina ataon’ny Tompo. Misy lanjany lehibe tokoa ny fahatsapantsika ny fanatrehan’ny Tompo Jesoa, sy ny fifantohan’ny saintsika sy ny fontsika Aminy rehefa mivory hahatsiaro Azy tamin’ny fahafatesany isika. Manohy mandrakariva ny ezaka ataony i Satana mba hampiodina ny saintsika amin’ny tena sy ny asan’ny Tompontsika Jesoa, ary mba hameno ny fontsika amin’ny zavatra tsy mendrika ny Fanasana sy ny Latabatry ny Tompo.

Noho izany, tokony hifananatra tsy tapaka isika mba hiambina sy hivavaka mba hampifantoka ny saina sy ny fontsika amin’ny Tompo sy Mpamonjy antsika amin’ny fotoana fahatsiarovana Azy sy hanaovana fanompoam-pivavahana. Ilay tenany masina sy ny asa fanavotana nataony dia eo anoloantsika mandritra ny Fanasan’ny Tompo, ary ny masontsika mibanjina Azy no handroaka ireo

Page 25:  · Web viewTOKO 3 Ny fiangonana : Ny fisehoany isan-toerana 3.1 Ny fototry ny fivoriana araka ny Soratra Masina

64 Ny fahefana avy amin’Andriamanitra

fisainana miriorio sy hampitony ny saina mikorontana. Ho tsapa ny fanatrehany ary hankasitrahany ny fomba hankalazana ny Fanasan’ny Tompo.

Ao amin’ny andininy 23, 24 sy 25 ao amin’ny 1 Korintiana 11, dia mampahatsiahy indray ny tenin’ny Tompo tamin’ny nanorenany ny Fanasan’ny Tompo ny apostoly, ary ao amin’ny andininy 26, dia ampiany fa, isaky ny mandray anjara izy ireo, dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo mandra-pihaviny. Aoka ho dinihintsika tsara izany teny izany: “mandra-pihaviny”. Tsy maintsy manohy mahatsiaro Azy isaky ny alahady isika, isaky ny andro voalohany amin’ny herinandro, mandra-pihaviny eny amin’ny rahona mba haka ny Egliziny. Araka izany, ny famakina ny mofo dia mampitodika antsika hijery ny lasa tamin’ny nahafatesan’ny Tompontsika, hijery Azy eny ambony eny izay misy Azy ankehitriny, ary hijery ny hoavy amin’ilay fotoana feno hafaliana hiverenany haka antsika indray13.

Tonga amin’ny teny manetriketrika nataon’ny apostoly momba ny fihinanana sy fisotroana ny Fanasan’ny Tompo amin’ny fomba tsy mendrika isika izao. “Koa na zovy na zovy no mihinana ny mofo sy misotro amin’ny kapoaky ny Tompo amin’ny fanahy tsy mendrika, dia ho meloka ny amin’ny tena sy ny ran’ny Tompo izy. Fa aoka ny olona hamantatra ny tenany, dia aoka izy hihinana ny mofo sy hisotro amin’ny kapoaka. Fa izay rehetra mihinana sy misotro dia mihinana sy misotro fanamelohana ho an’ny tenany, raha tsy mamantatra ny tena izy” (1 Korintiana 11.27-29).

Raha raketintsika an-tsaina izay efa hitantsika momba ny fikorontanana nisy teo amin’ny Korintiana ny amin’ny Fanasan’ny Tompo, dia hanampy antsika izany hahatakatra fa izay lazain’ny apostoly amin’ny hoe fihinanana sy fisotroana amin’ny fanahy tsy mendrika dia tsy mifandraika amin’ny maha-mendrika na tsy mendrika ny olona, fa amin’ny fomba tsy mendrika handraisana anjara amin’ny Fanasan’ny Tompo. Raha miankina amin’ny fahamendrehan’ny tena manokana ny fihinanana ny Fanasan’ny Tompo, dia tsy hisy olona eto ambonin’ny tany ho afaka handray anjara amin’izany, satria tsy misy olona mendrika hanao izany raha mijery ny tenany. Mendrika isika satria noraisin’i Kristy tao amin’ny fahaverezana nisy antsika, nodioviny tamin’ny rany, ka noho izany voadio afaka hanatrika Azy, ary izany no manome alàlana antsika handray anjara amin’ny Fanasan’ny Tompo. Io zo io no vokatry ny zavatra nataony ho antsika fa tsy noho izay mety ho fahamendrehantsika manokana.

Tsy miresaka fahamendrehana isam-batan’olona mihitsy ny apostoly, fa ny fomba fitondrantenan’ny olona masina rehefa tafavory. Tena nanao tsinontsinona sy tsy niraharaha ny dikan’ny mofo sy ny kapoaka izy ireo. Adinony ny fahamarinana manetriketrika ambaran’ireo marika ireo, ary nandray anjara tamin’izany toy ny amin’ny zavatra mahazatra izy, tsy misy dikany manokana. Tsy nahay nanavaka ny tenan’ny Tompo tamin’ny mofo izy; hany ka nihinana sy nisotro tamin’ny fanahy tsy mendrika ka nahatonga ny fanamelohana ho an’ny tenany.

Mitovy amin’izany ihany ny loza mitatao amintsika ankehitriny. Mety handray anjara amin’ny Fanasan’ny Tompo amin’ny fomba maivana isika, tsy mieritreritra ny tenany sy ny rany, kanefa mihinana ny mofo sy misotro amin’ny kapoaka. Mety ho zavatra hafa no mameno ny saintsika fa tsy Izy, izay lazaina hoe tsiahivina. Raha tsy mahita ny tenany amin’ny finoana isika, dia mihinana amin’ny fanahy tsy mendrika ary meloka amin’ny tena sy ny ran’ny Tompo raha tsy miraharaha ny marika mampiseho izany. Eritreritra manetriketrika tokoa !

Efa nolazaintsika fa ny mofo dia tsy mivadika ho ny tenany akory, ary ny ao anaty kapoaka dia tsy mivadika ho ny rany, nefa ho an’ny finoana, dia manambara mazava ny vatan’i Kristy voaratra sy ny ra nalatsany ireo. Mipetraka izany ny fanontaniana hoe: tena mahay manavaka marina ny tenan’i Kristy amin’ny finoana ve isika rehefa mamaky ny mofo? Mandray ny Fanasan’ny Tompo ho toy ny fisakafoanana mahazatra ve isika indraindray, toy ny zavatra fanao, amin’ny fomba maivana ary tsy mitsara tena? Mety tsy ho tsapantsika ve ny fanatrehany ary mety tsy ho azontsika ve fa, ao amin’ny mofo sy ny kapoaka no tian’ny Fanahy hanehoana amin’ny fontsika ny tenany nomena ho antsika sy ny rany nalatsaka ho antsika? Raha izany, dia mihinana sy misotro amin’ny fanahy tsy mendrika isika; mihinana sy misotro fanamelohana ho antsika isika ary isika ihany no hitarika ny tànan’ny Tompo hanafay antsika. “Noho izany dia betsaka ny marary sy ny marofy eo aminareo, ary maro ihany no efa nodi-mandry. Fa raha mba mamantatra ny tenantsika isika, dia tsy mba hotsaraina. Fa raha tsaraina isika dia faizin’ny Tompo mba tsy hohelohina miaraka amin’izao tontolo izao” (and 30-32). Izany no

13Azontsika ampiana eto fa ny nahaterahan’ny Tompo tetỳ an-tany ho toy ny olona dia mifandraika amin’ireo mariky ny Fanasan’ny Tompo, satria tamin’izay fotoana izay no nahatongavany nofo aman-dra. Noho izany, ny fahaterahany, ny fahafatesany, ny fitsanganany tamin’ny maty, ny fanandratana Azy ho amin’ny voninahitra ary ny fiverenany dia tsy maintsy hampahatsiahivina antsika isaky ny mihinana ny mofo sy misotro amin’ny kapoaka amin’ny fo madio isika. Noho izany, tsy ilaintsika ny andro iray ao anatin’ny taona natokana hahatsiarovana ny fahaterahany, andro iray hafa hahatsiarovana ny fahafatesany, ary andro iray hafa hahatsiarovana ny nitsanganany tamin’ny maty. Tsy misy zavatra ambara ao amin’ny Soratra Masina momba ny andro voatokana toy izany, fa kosa, isaky ny andro voalohany amin’ny herinandro, dia tian’ny Tompo raha mahatsiaro Azy isika tamin’ny nahatongavany ho nofo, tamin’ny fahafatesany, tamin’ny fitsanganany tamin’ny maty, tamin’ny nanandratana Azy ho amin’ny voninahitra ary amin’ny fiverenany tsy ho ela.

Page 26:  · Web viewTOKO 3 Ny fiangonana : Ny fisehoany isan-toerana 3.1 Ny fototry ny fivoriana araka ny Soratra Masina

65 Ny fahefana avy amin’Andriamanitra

vokatra mety hamohehatra tokoa amin’ny fihinanana sy fisotroana ny Fanasan’ny Tompo amin’ny fanahy tsy mendrika.

Raha zavatra manetriketrika toy izany ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo, kanefa mety mihinana sy misotro amin’ny fanahy tsy mendrika isika miaraka amin’ireo voka-dratsy mampatahotra entin’izany, dia tokony hangovitra sy hifantoka amin’ny fankatoavana ilay faniriana farany nambaran’ny Tompo hoe: “Izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy”. Ho tonga amin’ny fahadisoana hafa indray isika ary tsy hankatoa ny didim-pitiavan’ny Tompo. Amin’izay lafiny izay, dia ny andininy 28 sy 31 no famporisihana tsy tokony hodiantsika tsy fantatra. “Fa aoka ny olona hamantatra ny tenany, dia aoka izy hihinana ny mofo sy hisotro amin’ny kapoaka…Fa raha mba mamantatra ny tenantsika isika, dia tsy mba hotsaraina”.

Ankilany ny fahamasinana sy ny fanajana dia voatandro, ary andaniny, ny fahasoavana dia mamporisika sy mampahery antsika mba hanatona sy handray anjara amin’ny Fanasan’ny Tompo rehefa avy nitsara tena, amin’ny fomba lalina sy matotra tokoa. Na mangataka amintsika ny hamantarana ny tenantsika aza ny Tompo, ny handinihan-tena sy ny hahafantarana ny làlana aleha ary ny fitsarana lalandava ny tena, dia manasa ny olony rehetra hanatona hihinana ny mofo sy hisotro amin’ny kapoaka Izy, nefa amin’ny fomba matotra sy lalina. Mariho fa tsy miteny Izy hoe: “Fa aoka ny olona hamantatra ny tenany ary tsy handray anjara”, fa “aoka ny olona hamantatra ny tenany, dia aoka izy hihinana”. Toy ny olona mamantatra sy mitsara tena no hanasana antsika handray anjara amin’ny Fanasan’ny Tompo. Noho izany, ny fahasoavana dia mampahery izay mandini-tena amin-kitsim-po sy mitsara tena; ary izany no manome azy fahasahiana handray anjara amin’ny Fanasan’ny Tompo amin’ny saina milamina. Mifanohitra amin’izany, raha misy fanamaivanana sy tsy fitsarana ny tena, dia afaka miditra an-tsehatra ny Tompo mba hanameloka sy hanafay, ary ny vokatr’izany dia aretina, ary raha lasa lavitra aza, dia fahafatesana (and 30).

Noho izany, ny miaro antsika tsy handray anjara amin’ny fanahy tsy mendrika amin’ny Fanasan’ny Tompo, tsy hihinana sy hisotro fanamelohana ho an’ny tenantsika, dia ny fanazaran-tena masina amin’ny fandinihan-tena lalina, matotra ary atao fanao mahazatra. Zavatra lehibe dia lehibe hiankinan’ny fiainana kristiana sambatra izany. Ny fandinihan-tena dia fanazaran-tena manan-danja tokoa ary tena ilaina. Raha manao izany marina sy matetika isika, dia hiova ny fomba fizotrantsika isan’andro. Raha tsaraintsika isan’andro amin’ny fanatrehan’Andriamanitra ny maha “izaho” antsika, tsy ho voatery hanameloka ny làlantsika isika, na ny tenintsika, na ny zavatra ataontsika, satria efa voafehy ny nofo, voadinika ny fotony ka tsy hitondra voa ratsy. Tsy mila manafay antsika koa ny Tompo.

Rehefa nomarihintsika fa ny fihinanana sy fisotroana amin’ny fanahy mendrika dia mikasika indrindra ny fitondrantenantsika sy ny fomba handraisantsika anjara eo amin’ny Latabatry ny Tompo, dia tokony hanipy teny kely ihany isika momba ny fitondrantenantsika sy ny fandehantsika mandritra ny herinandro. Tsy tokony hieritreritra fa satria efa niresaka lava dia lava momba ny toe-pontsika rehefa eo amin’ny Latabatry ny Tompo isika mba hahatsiaro Azy, dia tsy maninona izay fitondrantenantsika mandritra ny herinandro, na koa tsy misy ifandraisana amin’ny fandraisana anjara amin’ny fanahy tsy mendrika ny Fanasan’ny Tompo izany.

Izay maha-isika antsika mandritra ny herinandro ihany no maha-isika antsika eo amin’ny Latabatry ny Tompo. Izay nifantohan’ny fontsika nandritra ny enina andro lasa no mbola hifantoka ao ny andro voalohany amin’ny herinandro, rehefa eo amin’ny Latabany isika. Raha toa ka tsy nampiseho afa-tsy fanamaivanana sy tsirambina momba ny Tompo isika nandritra ny herinandro, dia izany ihany no zavatra hiseho rehefa eo amin’ny Latabany isika ary tsy hahatsikaritra marina ny tenany sy ny rany amin’ireo marika amin’ny Fanasan’ny Tompo isika. Noho izany, dia hihinana sy hisotro fanamelohana ho an’ny tenantsika isika. Tsy afaka ny hiaina ao anatin’ny rivotr’izao tontolo izao ny fontsika mandritra ny herinandro ary ho afaka tanteraka amin’izany rehefa te-hahatsiaro ny Tompo amin’ny androny.

Raha misy olona miaina mandritra ny herinandro fiainana feno rendrarendra, zava-poana, fahafinaretana sy fiainana araka izao tontolo izao, raha mandeha mijery sarimihetsika izy, mamonjy rindran-kira, fampisehoana, zava-miseho ara-mozika sy ara-panatanjahantena, etsetra, moa mety hahay manavaka ny tenan’ny Tompo ve izy raha mamaky ny mofo ny andro voalohany amin’ny herinandro? Tsia dia tsia. Ny fiainana araka izao tontolo izao sy ny tsy fankatoavana ny Tompo, izay samy zavatra kivalavala izany ve dia azo ampiarahina amin’izay mety ho fiombonana ara-panahy amin’ny tena sy ny ran’ny Mpamonjy? Angamba ireo olona ireo handray anjara amin’ny fomba ivelany amin’ny “famakina ny mofo”, fa atahorana ho tsy hahatsapa mihitsy ny hery anaty sy ny fahamarinan’ny fihinanana sy fisotroana, amin’ny finoana, ny tena sy ny ran’i Kristy izy ireo (jereo Jaona 6.55-56). Meloka amin’ny tsy fahatsapana ny tenan’ny Tompo izy ireo, ary mihinana sy misotro fanamelohana ho azy raha mandray anjara amin’ny Fanasan’ny Tompo.

Page 27:  · Web viewTOKO 3 Ny fiangonana : Ny fisehoany isan-toerana 3.1 Ny fototry ny fivoriana araka ny Soratra Masina

66 Ny fahefana avy amin’Andriamanitra

Enga anie ny Fanahin’Andriamanitra mba hitarika antsika handinika lalina ny ao am-pontsika; mba hamolavola ao amintsika saina mahay sy maharitra amin’ny fandinihan-tena, ka hahatsiaro ny Tompo malalantsika amin’ny fo mahitsy sy fomba tena mendrika Azy isika.

Fanehoana ny fiombonana

Ny nodinihintsika ny tamin’ny Fanasan’ny Tompo hatramin’izao dia ilay toetra lehibe ananany amin’ny maha-fety fahatsiarovana azy, izay mametraka eo anoloantsika ny mariky ny tena sy ny ran’i Kristy, araka ny 1 Korintiana 11. Misy anefa ao amin’ny Fanasan’ny Tompo, ankoatr’io toetra lehibe tokoa amin’ny maha-fahatsiarovana azy io, lafin’ny fahamarinana hafa, izay hamaivanin’ny maro. Lazaina amintsika ao amin’ny 1 Korintiana 10.16-17 izany: “Ny kapoaky ny fisaorana izay isaorantsika, tsy firaisana amin’ny ran’i Kristy va izany? Ny mofo izay vakintsika, tsy firaisana amin’ny tenan’i Kristy va izany? Satria iray ihany ny mofo, dia tena iray ihany isika na dia maro aza; fa isika rehetra dia samy mandray amin’izany mofo iray izany avokoa”.

Ny resahina eto dia ny hetsika hiombonana amin’ny famakina ny mofo: “ny kapoaky ny fisaorana izay isaorantsika”, sy “ny mofo izay vakintsika”. Ao amin’ny toko faha-11, ny tsirairay dia mihinana ny mofo sy misotro amin’ny kapoaka noho ny Tompo, ary tompon’andraikitra amin’ny fanaovana izany amin’ny fahamendrehana izy. Izany no mahatonga ireo teny hoe: “mihinana sy misotro”, sy “aoka ny olona hamantatra ny tenany”. Fa ny andininy ao amin’ny 1 Korintiana 10 kosa dia manipika manokana fahamarinana lehibe: ny lafiny fiombonana amin’ny fiarahana mandray ny Fanasan’ny Tompo. Rehefa miara-mahatsiaro ny Tompo isika, mizara mofo iray sy kapoaka iray, dia manambara ny fiombonantsika, isika samy isika sy ny fiombonantsika amin’ilay latabatra andraisantsika anjara. Ny hevitry ny fiombonana, na anjara iombonana, amin’ny famakina ny mofo izany dia tokony ho eo anoloantsika lalandava, ary izay no hevi-dehibe ao amin’ity tsongandahatsoratra dinihintsika ity.

Izay no mahatonga ny fanambarana ny amin’ny kapoaka aloha, satria ny fanonerana natao tamin’ny ran’i Kristy nalatsaka ho antsika no fototry ny fiombonantsika amin’Andriamanitra sy amin’ny mpino hafa. “Ny kapoaky ny fisaorana izay isaorantsika, tsy firaisana amin’ny ran’i Kristy va izany?” na, azo adika koa hoe: “fiombonana amin’ny ran’i Kristy”. Rehefa misaotra noho io kapoaka io isika ka miara-mandray anjara, dia manambara amin’izany ny fiombonantsika amin’ny ran’i Kristy; ary raha tena azontsika izany fahamarinana izany, dia miditra amin’ny heviny momba ny fiombonana isika, manana anjara amin’izany ary mankafỳ izay novidiny ho antsika tamin’ny rany.

Manohy ny apostoly hoe: “Ny mofo izay vakintsika, tsy firaisana amin’ny tenan’i Kristy va izany? Satria iray ihany ny mofo, dia tena iray ihany isika na dia maro aza; fa isika rehetra dia samy mandray amin’izany mofo iray izany avokoa”. Misy dikany hafa, izay manampy ny maha-tenan’i Kristy nomena ho antsika azy, izany eto ny mofo. Ampianarina antsika eto fa io mofo iray io izay iarahantsika ao amin’ny Fanasan’ny Tompo dia sarin’ny Tenany ara-panahy koa izay etỳ an-tany ankehitriny, “ny fiangonana, izay tenany” (Efesiana 1.22, 23).

Manambara amintsika ny maha-iray ny Tena ara-panahin’i Kristy izany: “mofo iray, tena iray”. Amin’ny maha-isan’io tena ara-panahin’ny mpino antsika io, dia miara-mandray ny Fanasan’ny Tompo isika ao amin’ny fiangonana, ary amin’izany, dia manambara ny fiombonantsika, isika samy isika. Izany no atao hoe “fiombonan’ny tenan’i Kristy” sy ny fampiharana mazava ilay fahamarinana hoe: “Satria iray ihany ny mofo, dia tena iray ihany isika na dia maro aza; fa isika rehetra dia samy mandray amin’izany mofo iray izany avokoa”. Eo amin’ny famakintsika ny mofo no manambara ampahibemaso ny firaisantsika isika, satria “mifampiankina, toy ny ifampiankinan’ireo zavatra anisan’ny tena anankiray ihany”14, dia ny tenan’i Kristy.

Tsy misy eritreritra kely akory ho fampisarahana izany amin’ireo marika naorina ho amin’ny Fanasan’ny Tompo, ary tsy azo tohanana izany hevitra izany. Ireo marika ireo dia mampiseho ilay firaisana tsy mety maty sy tsy azo potehina ao amin’ny Tenan’i Kristy, izay marina foana na dia marobe tokoa aza ny fisaratsarahana eo amin’ny tontolo kristiana. Ny fanapatapahana ny mofo, toy ny ataon’ny sasany, na mandray hostia sy kapoaka mitokana dia mifanohitra tanteraka amin’ilay marika mofo iray sy kapoaka voalaza ao amin’ny 1 Korintiana 10.16-17, ary miaraka amin’ny fahamarinana fa iray ihany ny tena arafitr’ireo mpino. Noho izany, izany fomba fanao izany dia tena mifanohitra tanteraka amin’ny Soratra Masina. Satria ny fototra ara-tSoratra Masina izay ekena ho an’ny fivoriana dia ny hoe iray ihany ny tena irafetan’ny mpino, dia ny mofo iray ihany no tokony ho marika sahaza izany. Ary koa “ny kapoaka izay isaorantsika”, fa tsy hoe ireo kapoaka, na dia mety ho tsy maintsy mampiodina kapoaka mihoatra ny iray aza amin’ny fivoriana be olona.

14Dikanteny DIEM

Page 28:  · Web viewTOKO 3 Ny fiangonana : Ny fisehoany isan-toerana 3.1 Ny fototry ny fivoriana araka ny Soratra Masina

67 Ny fahefana avy amin’Andriamanitra

Iza no afaka mandray anjara ?

Satria ny mofo amin’ny Fanasan’ny Tompo dia manambara ny tena iray irafetan’ny mpino rehetra, ary satria rehefa miara-mandray io mofo io isika dia manambara ny firaisantsika sy ny fiombonantsika, isika samy isika, dia tokony ho mora ny mamaly ny fanontaniana hoe iza marina no afaka mandray anjara amin’ny Fanasan’ny Tompo. Io sakafo io dia ho an’ireo isan’ny tenan’i Kristy irery ihany, ary nekena ho toy izany. Ireo izay mahalala ny Tompo Jesoa ho Mpamonjy azy sy mino marina ny fahafatesany ho fanonerana ho amin’ny famonjena azy ireo, ireo irery ihany no manan-jo handray ny Fanasan’ny Tompo sy hanatona ny Latabany.Ho an’ny fianakavian’ny olom-boavidy ihany ny Fanasan’ny Tompo; raha misy milaza fa zanak’Andriamanitra izy, dia tsy maintsy porofoiny amin’ny fizotrany izany, raha tsy izany, dia poak’aty izany fanehoam-pinoana izany.

Ireo rehetra fantatra fa tena mpino, izay mizotra ho toy izany amin’ny fisarahana amin’ny ratsy, ary tsy nesorina noho ny fifehezana araka ny Soratra Masina, dia manana tombontsoa manokana handray ny Fanasan’ny Tompo ao amin’ny Fiangonan’Andriamanitra. “Koa mifandraisa ianareo tahaka ny nandraisan’i Kristy anareo koa ho voninahitr’Andriamanitra” (Romana 15.7)

Raha misy olona tsy voavonjy na tsy mampiseho izany mazava nefa avela handray ny Fanasan’ny Tompo miaraka amin’ny tena mpino, mety hisy ve ny tena fanehoana ny firaisana sy ny fiombonana amin’ny famakina ny mofo? Tsia dia tsia. Raha miara-mandray ny Fanasan’ny Tompo amin’ny olona tsy niova fo isika, dia tsy afaka hiteny toa an’i Paoly hoe: “ Satria iray ihany ny mofo, dia tena iray ihany isika na dia maro aza”, satria, ao amin’ny fikambanana toy izany, dia misy olona tsy isan’ny tena.

Amin’ny resadresaka ifanaovana amin’ny kristiana momba io lohahevitra io, dia fandre matetika ny valinteny toy izao: “Ho ahy manokana no andraisako ny Fanasan’ny Tompo, tsy mikasika ahy izay ataon’ny sasany. Raha misy mandray anjara nefa tsy manan-jo hanao izany, dia mihinana fanamelohana ho azy izy; tsy andraikitro izany”. Ny fomba fijery toy izany dia maneho tanteraka fa ny fahamarinana ao amin’ny 1 Korintiana 10.16,17 dia tsy fantatra na tsy azo tsara. Ny Tompo tsy manasa antsika handray ny Fanasan’ny Tompo mba hihinana sy hisotro ho an’ny tenantsika irery. Tsia, ny zanak’Andriamanitra tsirairay dia nasaina handray anjara amin’ny fiombonana amin’ny mpino hafa ary misy fifaliana iombonana toy ny hisian’ny andraikitra iombonana.

Tsy misy fandraisan’anjara araka ny sitrapon’ny tsirairay

Tsy azontsika avela handraisan’izay rehetra te-handray anjara ny Fanasan’ny Tompo; izany hoe, ny fandraisana anjara dia tsy andraikitry ny olona iray ihany. Ao amin’ny 1 Korintiana 5, ny apostoly dia mametraka mazava ny andraikitry ny fiangonana ao Korinto hanalany ny masirasira izay tafiditra teo aminy, ary hitsara ireo izay ao anatiny, izany hoe ireo izay ao amin’ilay fikambanana mampiseho fiombonana eo amin’ny Latabatry ny Tompo. Didiany izy ireo hoe: “Esory aminareo ilay mpanao ratsy”. Hitantsika amin’izany fa andraikitry ny Fiangonana ny mitandro ny fahamasinan’ny Latabatra sy ny Fanasan’ny Tompo. Raha tsy maintsy nanaisotra ny ratsy teo aminy ny Korintiana, andraikiny izany ny miambina mba tsy hisy ratsy tafajanona ao amin’ny Fiangonana na eo amin’ny Latabatry ny Tompo.

Ny 1 Korintiana 5.12-13 dia mampianatra antsika fa, eo amin’ireo miombona ho amin’ny Fanasan’ny Tompo, dia misy ireo izay “ao anatiny” sy ireo izay “any ivelany”. Tsy midika afa-tsy zavatra iray izany: fitandremana sy fahamalinana no tsy maintsy atao momba ireo izay mandray anjara amin’ny Fanasan’ny Tompo; tsy maintsy hay ny manavaka izay ao anatiny sy izay any ivelany. Mila mahazo antoka, amin’ny firesahana amin’ireo olona, fa tena marina ny finoan’izy ireo ary mahitsy ny làlany raha te-hihazona ny fahamasinan’ny Latabatry ny Tompo, ary raha te-haneho marina ny maha-iray sy ny fiombonana amin’ny famakina ny mofo.

Tany Isiraely, dia nisy ireo mpiandry varavarana izay niambina sy niaro ny fidirana ao amin’ny tranon’Andriamanitra (jereo 1 Tantara 9.17-27 sy Nehemia 7.1-3). Ny andraikitr’izy ireo dia ny mamela ireo izay manan-jo hiditra ary tsy mamela hiditra ireo izay tokony hijanona any ivelany. Toy izany koa ankehitriny, ao amin’ny Fiangonan’Andriamanitra, ny asan’ny mpiandry varavarana dia manan-danja tokoa hiarovana ny Fiangonana amin’ny fahalotoana entin’ny fidiran’ireo olona izay tsy mbola niova fo na maloto. Tsy hoe mila fanompoana ara-pomba ofisialy ny amin’izany, fa ilaina kosa io fitandremana mailo araka an’Andriamanitra io momba ireo izay azo ampidirina ao amin’ny Fiangonana sy mahazo ny tombontsoa manokana handray ny Fanasan’ny Tompo.

Tsy sahaza sy araka ny Soratra Masina ve ny fitenenana fa ny fiombonan’ny mpino eo amin’ny Latabatry ny Tompo dia tsy tokony ho fiombonana malalaka, na fiombonana mihidy, fa kosa fiombonana arovana? Tsy tokony halalaka ho an’izay rehetra te-hiditra izy, na mihidy ho an’ireo izay tsy “isantsika”, raha azo lazaina izany — satria lasa fiombonana mpanavakavaka izy — fa kosa ho

Page 29:  · Web viewTOKO 3 Ny fiangonana : Ny fisehoany isan-toerana 3.1 Ny fototry ny fivoriana araka ny Soratra Masina

68 Ny fahefana avy amin’Andriamanitra

an’ireo mpino rehetra izay fantatra ho toy izany ary mandeha amin’ny fahamarinana sy fahamasinana. Satria ny hany fototra iorenan’ny fivoriana araka ny Soratra Masina, dia ny fanekena ny tena irafetan’ny mpino rehetra (ary ny mofo iray amin’ny Fanasan’ny Tompo koa no marik’izany), dia tokony ho raisintsika eo amin’ny Latabatry ny Tompo izay tena isan’izany tena izany marina, izay tsy nesorina noho ny fifehezana; raha tsy izany, dia tsy mifanaraka amin’ny sehatra lazaintsika ho misy antsika ny zavatra ataontsika, ary lasa sekta isika. Amin’izao andron’ny faharavana lehibe izao, hisian’ny fisaratsarahana sy haratsiana marobe ao amin’ny tontolo kristiana izao, dia mainka miha-sarotra ny fanarahana tanteraka izany fotokevitra izany sady misaraka amin’ny fikambanana tsy araka ny Soratra Masina, nefa ny fahamarinana fa iray ihany ny tena no hany fototry ny fitondrantenantsika.

Toa tena mendrika hodinihina ireto soratra nataon’i C.H.Mackintosh ireto momba izay zavatra izay: “Ny fankalazana ny Fanasan’ny Tompo, araka ny nanorenan’ny Tompo azy, dia tokony ho fanehoana mazava ny firaisan’ny mpino rehetra, fa tsy firaisan’ny sasantsasany, izay mivory manaraka foto-kevitra mampiavaka azy amin’ny sasany. Raha misy foto-panorenana hafa aroso, ankoatr’ilay fototra lehibe, dia ny finoana ny asa fanoneran’i Kristy sy ny fizotra araka izany finoana izany, dia lasa latabatry ny sekta ny latabatra, ary tsy manam-pahefana amin’ny fon’ny mpino”.

Noho izany, rehefa mandray olona eo amin’ny Latabatry ny Tompo isika, dia tokony alavirina ny baranahiny sy ny tsirambina ankilany, ary ny fanavakavahana andaniny. Marina koa fa mbola misy lafiny hafa momba izany lohahevitra izany sy ny fahamarinana hafa mifandraika aminy, izay hiverenantsika aoriana kely rehefa mijery ny Latabatry ny Tompo.

Ny Asa 9.26-29 no manome antsika ohatra momba ny fahamalinana rehefa handray olona ao amin’ny Fiangonana, ary mampiseho amintsika fa tsy azo raisina noho ny teniny irery ihany ny olona. Vakiantsika ao fa i Saoly, izay vao niova fo, dia nitady hiray tamin’ireo mpianatra tao Jerosalema, nefa natahotra azy izy ireo ary tsy nino fa mpianatra koa izy. Dia nalain’i Barnabasy izy, nentiny teo amin’ny apostoly, ary nijoro ho vavolombelona izy fa efa niova fo i Saoly ary nitory ny anaran’i Jesoa tamim- pahasahiana tokoa. Noho ny fijoroana vavolombelona nataon’i Barnabasy momba ny fahamarinan’ny fiovan’i Saoly, dia voaray tao amin’ny Fiangonana izy, ary afaka nifanerasera tamin’ireo mpino. “Amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo no hanorenana mafy ny teny rehetra” (2 Korintiana 13.1). Fotokevitra iray lehibe izany rehefa tokony handray fanapahan-kevitra.

Ao amin’ny Romana 16.1sy 2 Korintiana 3.1 no hamakiantsika ny momba ny taratasy fanolorana ny mpino izay avy amin’ny fiangonana iray ho amin’ny fiangonana hafa ka tsy fantatra eo amin’ny toerana alehany. Izany no isan’ny fanehoana ny fandaminana araka an’Andriamanitra ary mampiseho fa tokony ho mailo rehefa handray olona hamaky ny mofo eo amin’ny Latabatry ny Tompo.

Ny Latabatry ny Tompo

Efa hitantsika fa ny 1 Korintiana 10.16-17 dia mampiseho amintsika fa ny famakina ny mofo dia fanehoana ny fiombonan’ny isan’ny tenan’i Kristy, ary ny mofo iray dia sarin’ilay tena ara-panahy. Ao amin’io toko io irery ao amin’ny Testamenta Vaovao no misy ny fitenenana hoe “ny Latabatry ny Tompo”, izay efa nampiasaintsika matetika. Ndeha hodinihintsika io fehezanteny io ka hijery izay raketiny sy izay mifandraika aminy isika.

Ny mofo no mariky ny tenan’i Kristy, nefa satria ny tena ara-bakiteny dia sarin’ny tena ara-panahy koa, ny mofo iray eto amin’ity tsongandahatsoratra ity dia sarin’ny Tenan’i Kristy iray, izay irafetan’ny mpino rehetra: “Satria iray ihany ny mofo, dia tena iray ihany isika na dia maro aza” (and 17). Hitantsika izany fa ao amin’ity tsongandahatsoratra ity, dia ampiarahan’ny Fanahy Masina amin’ny teny hoe “ny Latabatry ny Tompo” ny Tena iray sy ny fiombonantsika amin’ny maha-isan’ny tena antsika. Azontsika lazaina fa, amin’ny lafiny iray, dia mitovy ihany ny Fanasan’ny Tompo sy ny Latabatry ny Tompo; nefa misy mahasamihafa ireo teny roa ireo ihany: mampiseho lafiny roa na dikany roa momba ny fahamarinana mikasika ny famakina ny mofo izy ireo. Ny Fanasan’ny Tompo dia mifandraika amin’ny fahatsiarovan’ny tsirairay ny fahafatesan’ny Tompo, fa ny teny hoe “Latabatry ny Tompo” dia mifandraika kokoa amin’ilay toetry ny Fanasan’ny Tompo amin’ny fijoroana vavolombelona fa iray ihany ny Tenan’i Kristy ary amin’ny fampisehoana ny fiombonantsika amin’ny isan’ny tena antsika. Ny Latabatra dia maneho am-pahibemaso ny fiombonan’ny Tena iray. Ny fototry ny fiombonana irin’Andriamanitra ho antsika dia ny fiombonan’ilay Tena iray ihany, izay voarafitry ny mpino rehetra, ary izany dia miorina amin’ny fanavotana natao tamin’ny ran’i Kristy. Ny amin’ny toeran’ny mpino rehetra indray, dia eo amin’ny Latabatry ny Tompo izy ireo, amin’ny maha-eo amin’ny sehatry ny fiombonan’ny Tenan’i Kristy azy ireo. Rehefa miara-mamaky ny mofo isika, dia mampiseho ny fampiharana izany fiombonana izany.

Ny fiteny hoe “ny Latabatry ny Tompo” dia teny an’ohatra fa tsy tokony horaisina amin’ny dikany ara-bakiteny. Tsy fanaka ametrahana ny mofo sy ny kapoaka io, fa kosa foto-kevitra na fototra

Page 30:  · Web viewTOKO 3 Ny fiangonana : Ny fisehoany isan-toerana 3.1 Ny fototry ny fivoriana araka ny Soratra Masina

69 Ny fahefana avy amin’Andriamanitra

hankalazana ny Fanasan’ny Tompo. Ny fototra iorenana amin’ny famakina ny mofo no maneho ny toetry ny latabatra izay mivelatra. Ny Latabatry ny Tompo dia mampiseho ny fiombonana Aminy sy amin’ireo isan’ny Tenany; eo dia tsy maintsy ekena ny fahefany sy ireo zony, ary tsy maintsy tandrovana ny fahamasinan’ny anarany.

Raha fototra hafa ankoatra ny fanekena eo amin’ny fiainana ny maha-iray ny Tenan’i Kristy no raisina, fototra izay nambaran’Andriamanitra mazava tamintsika, dia tsy manana ny toetry ny Latabatry ny Tompo ny latabatra mivelatra eo ambonin’izany fototra izany. Toy izany ireo latabatra miorina amin’ny fiheverana fa miaraka amin’ny fikambanana kristiana iray na amin’ny fiheverana fa mahaleo tena. Any amin’izay tsy anekena ny fampiharana ny maha-iray ny Tenan’i Kristy ka manolo izany amin’ny foto-kevitra miorina amin’ny fiombonana nataon’olombelona, dia tsy miseho ny fahamarinana mikasika ny Latabatry ny Tompo; noho izany, ireo latabatra ireo dia tsy azo ekena ho Latabatry ny Tompo araka ny Soratra Masina. Raha ny marina, dia latabatry ny fikambanana miorina amin’ny foto-kevitra nataon’olombelona izany. Mety ankalazain’ireo kristiana marina nefa tsy mahalala ny fahamarinana momba ny Latabatry ny Tompo, amin’ny fanajana, fitiavana sy fisaorana ny fahatsiarovana, nefa tsy miseho eo ny maha-iray ny tenan’i Kristy; noho izany, dia tsy tanteraka sy hankafizina ny fahamarinana momba ny Latabatry ny Tompo satria manaiky foto-kevitra manakana ny fanatanterahana ny tena fiombonana eo amin’ny Latabatry ny Tompo.

Ny toetra iray tokony hisongadina koa mba hanekena fa ny latabatra dia Latabatry ny Tompo, dia ny fahamasinana sy ny fahamarinana, satria izany no toetry ny Tompo izay lazaina fa tompon’ny latabatra. (“Ilay masina, Ilay marina”, Apokalypsy 3.7; “Ho masina ianareo, satria masina Aho”, 1 Petera 1.16). Raha ohatra misy fampianarana diso na tsy ara-tSoratra Masina mahakasika ny tenan’i Kristy nefa leferina na ekena amin’ny fivoriana iray, na raha ohatra ka raisina ao ny olona izay mitana na mampianatra izany foto-pampianarana izany, dia ny tenan’ny Tompon’ny Latabatra mihitsy no toherina ary ny fahamasinana sy ny fahamarinana no zimbazimbaina. Ahoana ary no ahazoana hanaiky fa Latabatry ny Tompo izany latabatra izany? Toy izany koa, raha misy faharatsiana ara-panahy leferina eo amin’io fiombonana manodidina ny Latabatra io, dia tsy azo ekena ho Latabatr’ilay Masina sy Marina io latabatra io.

Hitantsika amin’izany fa tokony hotandrovana ny fahamasinan’ny Latabatry ny Tompo, sy ny fahamarinana momba ny maha-iray ny tenan’i Kristy. Ny fahadiovan’ny fahamarinan’Andriamanitra dia tsy tokony atao sorona velively mba hitazonana ny firaisana eo amin’ny Latabany, ny fanajana ara-bakiteny ny fahamarinana sy ny fahamasinana dia tsy hanohintohina velively ny tena firaisana. Nefa izany rehetra izany dia tokony atao amin’ny fisainana feno fahasoavana, fahamoram-po sy fanetren-tena, raha tsy izany dia ho simba ny toetry ny fahasoavan’ny Tompo.

Ndeha hojerena izao ny andininy faha-18 ka hatramin’ny faha-21 ao amin’ny 1 Korintiana 10, izay ampiharana ny foto-kevitra momba ny fiombonana amin’ny fihinana eo amin’ny alitara. Efa hitantsika fa ny hevitra momba ny fiombonana no fahamarinana ilaina mifandraika amin’ny Latabatry ny Tompo. Rehefa avy niresaka ny fandraisana anjara amin’ny Fanasan’ny Tompo ny apostoly tao amin’ny andininy faha-16 sy 17, dia manohy toy izao: “Indreo ny Isiraely araka ny nofo; moa izay mihinana ny fanatitra tsy mpiombona amin’ny alitara va?” Foto-kevi-dehibe izany ho antsika. Ny mihinana eo amin’ny alitara na ny latabatra iray dia fiombonana sy firaisana amin’io alitara na latabatra io, ary amin’ireo izay manatrika eo. Ny mipetraka mihinana amin’ny latabatra iray dia manamarika ny fampitoviana ny tena amin’io latabatra io sy ny zavatra izay ambarany.

Dia miresaka ny amin’ny alitaran’ny jentilisa indray ny apostoly: “Izay zavatra aterin’ny jentilisa ho fanatitra dia ateriny amin’ny demonia fa tsy amin’Andriamanitra; koa tsy tiako ho mpiombona amin’ny demonia ianareo”. Tao ambadiky ny sampin’ny jentilisa no nisy demonia niafina, ary ny jentilisa, na dia tsy fantany aza izany, dia nanatitra ny fanatiny ho an’izany demonia izany. Latabatry ny demonia izany io, ary ho an’ny kristiana, ny fipetrahana ao amin’ny tempolin’ny sampy sy ny fandraisana anjara amin’ny sakafo ataon’ny jentilisa izay miaraka amin’ireny fanatitra ireny, toy ny nieritreretan’ny Korintiana sasany fa azony atao, dia firaisana amin’ny latabatry ny demonia sy fiombonana aminy.Ny andininy faha-21 izany no miteny amintsika fa: “Tsy mahazo misotro amin’ny kapoaky ny Tompo sy ny kapoaky ny demonia ianareo; tsy mahazo mihinana amin’ny latabatry ny Tompo sy ny latabatry ny demonia ianareo”. Tsy mety raha misotro amin’ny kapoaky ny Tompo sy mankatò izay rehetra ambarany, dia avy eo misotro koa amin’ny kapoaky ny demonia. Toy ny hoe mampikambana ny Latabatry ny Tompo sy ny latabatry ny demonia izany ary mandà ny fiombonana amin’ny Tompo. Izany no antony nanambaran’ny apostoly tamin’ny Korintiana fa zava-doza tokoa izany misy fifandraisana amin’ny alitaran’ny jentilisa izany.

Izany no loza nananontanona ny Korintiana tamin’ny fotoana nanoratan’i Paoly ho azy ireo ny epistiliny. Io loza mananontanona hifandraisantsika amin’ny demonia io dia tsy misy intsony ho antsika ankehitriny, amin’ny ankapobeny, nefa ny foto-kevitra napetrak’i Paoly tamin’ny trangan-javatra toy izany dia mbola mitoetra ho antsika ihany amin’izao vaninandro izao. Io foto-kevitra io dia milaza fa ny

Page 31:  · Web viewTOKO 3 Ny fiangonana : Ny fisehoany isan-toerana 3.1 Ny fototry ny fivoriana araka ny Soratra Masina

70 Ny fahefana avy amin’Andriamanitra

fihinanana amin’ny latabatra iray dia midika fa mitovy sy miombona amin’io latabatra io ny tena, miaraka amin’izay rehetra ambarany sy izay rehetra manatrika eo. Mety tsy ho voahodidina latabatry ny demonia toy ny Korintiana isika, nefa betsaka kosa ny latabatry ny sekta sy ny fikambanana ara-pivavahana manodidina antsika, ary tandidomin-doza isika hampiray ny Latabatry ny Tompo amin’ny foto-kevitra mifanohitra amin’ny fiombonana eo amin’ny Latabany, izay manamaivana na mandà mihitsy aza ny fahefana tokana ananan’ny Tompo eo amin’ny Latabany.

Raha fintinina indraim-bava, dia tokony ho tsapantsika izao zavatra izao: na aiza na aiza handraisantsika anjara amin’ny Fanasan’ny Tompo, dia maneho ny fiombonantsika amin’ny latabatra eo amin’io toerana io isika, ary manaiky tanteraka ny fototra nanorenana sy namelarana io latabatra io. Ndeha ho raisintsika ohatra ny olona iray izay mamaky ny mofo miaraka amin’ireo olona mivory sy manaiky ny maha-iray ny tenan’i Kristy, ary mampihatra izany fahamarinana momba ny Latabatry ny Tompo izany. Mamangy fiangonana mivory amin’ny fanorenana hafa izy (mahaleo tena na mitonona amin’ny anarana iray manokana), mamaky ny mofo miaraka aminy dia miverina indray any amin’ilay fiombonana eo amin’ny Latabatry ny Tompo, na ny mifamadika amin’izany. Hetsika tsy voahevitra no ataony amin’ny fampiraisana ny Latabatry ny Tompo sy foto-kevitra tsy mifanaraka amin’izany. Mazava fa ny hetsika toy izany dia ratsy, na dia natao amin’ny tsy fahalalana aza ary mila fampianarana momba ny fahamarinana izany olona izany.

Ny fiombonana eo amin’ny Latabatra izany dia aseho koa amin’ny famakina ny mofo, ary ireo lohahevitra lehibe naseho teo aloha ireo dia mifandraika amin’izany. Noho izany, ny famakina ny mofo dia midika zavatra betsaka kokoa noho izay tsapa matetika. Mba hamintinana izany, dia tsara raha manontany tena ny tsirairay hoe:

- 1. Iza no tsaroako amin’ny Fanasan’ny Tompo?- 2. Amin’ny fanahy mendrika ve no ahatsiarovako ny Tompo?- 3. Iza no miaraka amiko amin’ny fahatsiarovana Azy?- 4. Inona no fanorenana sy foto-kevitra entiko ahatsiarovana Azy?

Aorian’ny fandinihana ireo lohahevitra momba ny Latabatry ny Tompo ireo, dia tianay ny milaza fa eo afovoan’izao faharavana izao, amin’izao fitsitontongan’ny tontolo izao sy ny fisarahana eo amin’ny Eglizy misy antsika, dia tsy mendrika ho an’ny fikambanana kristiana, na iza izy na iza, ny milaza fa azy irery ny Latabatry ny Tompo. Ny ezaka sy ny zavatra tokony hotadiavintsika dia ny fitadiavana hampihatra lalandava ireo fahamarinana marihin’ny Latabatry ny Tompo ary mahatoky amin’ny fiombonana eo amin’ny Latabany. Manana ny Latabany ny Tompo ary hokarakarainy izany. Tsy nomeny fikambanana kristiana manokana io, fa ny mpino rehetra kosa no omeny tombontsoa manokana ho eo amin’ny Latabany, ary ny andraikitr’izy ireo dia ny mandeha arak’izany.

Raha apetraka ny fanontaniana hoe: “Aiza ny Latabatry ny Tompo?”, dia mamaly amin’ny findramana ireto teny manetriketrika ireto izahay hoe: “Na aiza na aiza misy mpino, na dia roa sy telo fotsiny aza izy ireo, izay mivory ary tsy manana ivon’ny fivoriana ankoatra an’i Jesoa irery; na aiza na aiza tsy hampifandraisana ny Anarana Masin’i Jesoa — izay kofehy mampiray ny mpino — amin’ny tsy fahamarinana, na amin’ny lafiny inona na lafiny inona isehoany, ary itandroana ny fifehezana mendrika ny tranon’Andriamanitra; na aiza na aiza hiambenana tsy hisian’ny foto-kevitra mahaleo tena (izay midika fa norombahana tamin’ny Tompo ny fahefany), ary hifanekena amin’ny fatahorana an’i Kristy, tsy misy saina bontolo sy tia fifandirana, nefa koa mandray ny olom-boavidy rehetra ho toy ny isan’ny tena ao amin’ny Fanahy, ary mitady ny hitazonana io fiombonana amin’ny Fanahy io amin’ny rohim-pihavanana, faly mandray eo amin’ny Latabatry ny Tompo ireo rehetra izay naterak’Andriamanitra, tsy mitaky afa-tsy ny fahamasinany amin’ny fizotrany sy ny foto-pinoany; na aiza na aiza misy kristiana toy izany, dia manana ny Latabatry ny Tompo eo afovoany izy ireo, na dia rava daholo aza izao rehetra izao sy misy fahalemena ny fijoroany ho vavolombelona ; izany hoe hampihariny, rehefa mivory manodidina ny Tompo Jesoa sy miara-mankalaza ny Fanasan’ny Tompo izy ireo, fa mofo iray ihany izy, tena iray miaraka amin’ireo malalan’ny Tompo etỳ ambonin’ny tany”.Nadika tamin’ny teny alemà.

Ny fanompoam-pivavahana

Raha niresaka momba ny fivorian’ny Fiangonana isika, dia nampiarahantsika tao amin’ny fivorian’ny Fiangonana manokana iray ny famakina ny mofo sy ny fanompoam-pivavahana, satria marina fa ny fahatsiarovana ny Tompo tamin’ny fahafatesany ho antsika dia mitarika ny fanahintsika hisaotra sy hitsaoka. Ny Fanasan’ny Tompo dia mazava fa sakafom-pisaorana. Ny Tompo mihitsy, tamin’ny nanorenany ny Fanasan’ny Tompo, no nanome azy io endrika manokana io tamin’ny nisaorany. “Ary nandray mofo Izy, ary …nisaotra”. Teny fiderana, fisaorana sy enti-mitsaoka no mendrika atao eo amin’ny Latabatry ny Tompo, fa tsy vavaka fangatahana.

Page 32:  · Web viewTOKO 3 Ny fiangonana : Ny fisehoany isan-toerana 3.1 Ny fototry ny fivoriana araka ny Soratra Masina

71 Ny fahefana avy amin’Andriamanitra

Izany no ilazan’i Paoly ny kapoaky ny Fanasan’ny Tompo ho “kapoaky ny fisaorana izay isaorantsika” (1 Korintiana 10.16). Io no kapoaka hanambarana ny fisaorana, sakafo feno hafaliana sy haravoana, ary mitarika ny fontsika “hanatitra ny fanati-piderana … ho amin’Andriamanitra mandrakariva, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany” (Hebreo 13.15). Noho izany, ny Fanasan’ny Tompo sy ny fitsaohana dia miaraka mandrakariva. Ny Fanasan’ny Tompo dia vavolombelon’ny fitiavany izay tonga hatrany amin’ny fahafatesana, sy ny asa notanterahany ho antsika, nahatonga antsika izay mpanota toy izao ho afaka manatona mba hitsaoka.

Raha toa manaraka ny ohatra nomen’ny Eglizy tany am-boalohany isika ka mivory isaky ny andro voalohany amin’ny herinandro mba hamaky ny mofo, dia azo antoka fa ny Fanasan’ny Tompo no ataontsika ivon’izany fanompoam-pivavahana izany. Izany fivoriana izany no fotoana manokana hiangonana hivavahana. Tokony hipololotra lalandava avy ao am-pontsika ny fiderana ny Tompo, fa ny fotoana manokana hiderana sy hivavahana dia rehefa tafavory isika, ary eo anoloantsika ny tsangambato fahatsiarovana ny fitiavan’ilay Mpamonjy antsika izay tonga hatrany amin’ny fahafatesana. Amin’izay, dia ny Fanahin’Andriamanitra no hitarika antsika hidera sy hitsaoka amin’ny fo miredareda tokoa.

Nefa mety hipetraka koa angamba ny fanontaniana hoe: Inona marina moa no atao hoe fanompoam-pivavahana? Tokony ho azo ny amin’izany, satria, araka ny fandraisana azy mahazatra, ny “fanompoam-pivavahana iarahan’ny be sy ny maro” dia misy ny vavaka, ny fiderana sy ny fitoriana teny mba hampandroso ny olona masina na hampiova fo ny mpanota. Fotoana kely hieritreretana fotsiny dia ampy hahafantarana fa diso daholo izany rehetra izany. Ny vavaka, na dia miredareda toy inona aza, dia tsy fanompoam-pivavahana, satria fangatahana amin’Andriamanitra izay zavatra ilaintsika. Ny mitory ny Filazantsara amin’ireo mbola tsy niova fo, dia tsy fitsaohana, na dia fomba iray ahafahana mitondra ny fo amin’izany aza; ny fanompoam-pivavahana, dia tsy fitoriana teny koa, na dia mety hitarika ny fo hanao fanompoam-pivavahana koa aza izany.

Nisy olona nilaza izany tsara, nanao hoe: “Ny tena fanompoam-pivavahana dia tsy inona akory fa ny valin-teny faly sy feno fankasitrahana ataon’ny fo ho an’Andriamanitra, rehefa feno ny fahatsapana lalina izy fa be ny fitahiana nomena avy ao ambony… Io no haja sy tsaoka atolotra an’Andriamanitra, noho ny maha-Izy Azy, sy noho ny fiheveran’ireo olona manao izany fanompoam-pivavahana izany Azy. Ny tsaoka, izany no hataontsika any an-danitra, ary tombontsoa manokana sy sarobidy ho antsika izany eto an-tany… Ny fanompoam-pivavahana dia fankalazana iarahan’ny anjely sy ny olona atao ... Ny fiderana sy ny fisaorana, ny fitanisana ny maha-Andriamanitra an’Andriamanitra sy ny asany, amin’ny hery na amin’ny fahasoavana, amin’ny fomba feno fanajana tokoa, no tena fanompoam-pivavahana. Rehefa manao fanompoam-pivavahana isika, dia manatona an’Andriamanitra ary miresaka Aminy” (J.N.Darby).

Izany no tena fanompoam-pivavahana marina. Ny hevitry ny teny grika adika ho fanompoam-pivavahana (proskun), izay ampiasaina matetika ao amin’ny Testamenta Vaovao, dia hoe: “maneho ny fanajana na ny fankalazana amin’ny fiankohofana, miondrika mba hidera”.

Ny fototry ny fanompoam-pivavahana kristiana

Mipetraka amin’izay izao ny fanontaniana hoe: Inona no fototry ny fanompoam-pivavahana kristiana? Hitantsika ao amin’ny Jaona toko faha-4 izany amin’ny resaka nataon’ny Tompo tamin’ilay vehivavy Samaritana. Ao amin’io toko io angamba ny misy ny teny mavesa-danja indrindra momba ny fanompoam-pivavahana kristiana amin’izao vaninandron’ny fahasoavana izao. Ao ny Tompo no miresaka ny amin’ny olona izay tena mpivavaka mivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana. Nefa talohan’izany, dia hoy Izy tamin’ilay vehivavy: “Raha fantatrao ny fanomezan’Andriamanitra sy Izay miteny aminao hoe: Omeo Aho hosotroiko, dia ianao no ho nangataka taminy, ka nomeny rano velona” (and 10).

Ao amin’io andininy mahatalanjona io, dia mampiseho ny tokony ho fototry ny fanompoam-pivavahana kristiana ny Tompo. Ny Telo izay iray manontolo mihitsy no aseho eo: Andriamanitra aseho amin’ny fahasoavana amin’ny mahaMpanome ny zavatra rehetra Azy no tokony ho ao an-tsaina voalohany, fototry ny rehetra; avy eo, dia ny Zanaka miaraka amin’ny olona, miaina eto an-tany, manetry tena; ary farany, ho valin’ny zavatra ilain’ny fanahy mangetaheta, ny Zanaka dia manome ny rano velona: ny Fanahy Masina.

Izany rehetra izany dia ilaina mba hahatsapana ny tena toetra sy fototra marina iorenan’ny fanompoam-pivavahana kristiana. Fahamarinana sy Fahasoavana no tokony hahafantarana an’Andriamanitra, ny hazofijaliana no mampiseho izany, ary ny Zanaka dia tokony ho fantatra toy Ilaynanetry tena nankaty amin’ny olombelona noho ny fahasoavany sy ny fitiavany, mba ho faty ho an’ny mpanota. Midika koa izany fa efa nofohazina hahatsapa ny tena ilainy ny fo, efa nangataka tamin’ny Tompo sy nomeny rano velona, dia ny Fanahy Masina, toy ny loharano anaty

Page 33:  · Web viewTOKO 3 Ny fiangonana : Ny fisehoany isan-toerana 3.1 Ny fototry ny fivoriana araka ny Soratra Masina

72 Ny fahefana avy amin’Andriamanitra

mamelombelona. Midika izany fa tsy maintsy efa naterak’Andriamanitra, nanaiky an’i Kristy ho Mpamonjy, ary hitoeran’ny Fanahy Masina ao amin’ny fo, vao afaka manao fanompoam-pivavahana amin’ny maha-kristiana azy. Ny olombelona araka ny nofo, tsy mbola nateraka indray, dia tsy afaka ny tena hanao fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitra; tsy misy fahaizana manao izany ao aminy, satria tsy maintsy hivavahana amin’ny fanahy sy ny fahamarinana Andriamanitra (Jaona 4.24). Ireo izay voasasa tamin’ny ran’i Kristy ihany sy nandray ny Fanahy no afaka manatona sy miditra eo anoloan’Andriamanitra mba hitsaoka Azy sy hanao fanompoam-pivavahana ho Azy. Tsy misy olona afaka miseho eo anatrehan’Andriamanitra raha tsy matoky fa voavela ny helony.

Ny Fanahy Masina no manome toky feno ny mino ny fahombiazan’ny asa nataon’i Kristy ho antsika ary ny faneken’Andriamanitra antsika ao Aminy. Amin’ny alalan’ny Fanahy no hanomezana ao am-pontsika ny fitiavana an’Andriamanitra ary amin’ny alalan’io Fanahy io ihany no ahazoantsika miantso an’Andriamanitra hoe Raintsika, ahafahantsika miditra eo anoloany eo amin’ny fitoerana masina toy ny zanany voavidy, ary ahafahantsika midera ny Ray tsy amin’ny tahotra sy amin’ny fangovitana (Efesiana 1.3-7; Romana 5.5; Galatiana 4.6; Hebreo 10.19-22). Ny Fanahy Masina no mamokatra ao anatintsika ireo fisainana rehetra, ireo fankamamiana sy ireo fihetseham-po feno fitiavana sy fiderana miloatra avy ao am-po ho valin’ny fitiavan’ny Ray sy ny Zanaka. Izy no hery enti-manao ny fanompoam-pivavahana kristiana, koa noho izany, tsy misy olona afaka manao fanompoam-pivavahana toy izany ho an’Andriamanitra raha tsy mitoetra ao aminy ny Fanahy.

Ny toetry ny fanompoam-pivavahana

Raha miverina ao amin’ny Jaona toko faha-4 isika, dia rentsika ny Tompo milaza amin’ilay vehivavy samaritana hoe: “Ianareo mivavaka amin’izay tsy fantatrareo; izahay kosa mivavaka amin’izay fantatray satria avy amin’ny Jiosy ny famonjena” (and 22). Toy inona no fahamarinan’izany ankehitriny manoloana ireo olona marobe milaza fa mitsaoka an’Andriamanitra: “Ianareo mivavaka amin’izay tsy fantatrareo”. Ilaina ny mahafantatraan’Andriamanitra sy ny famonjeny ambara ao amin’i Jesoa Kristy, raha te-hanao fanompoam-pivavahana marina. “Fantatray izay hivavahanay”. Izany no toetra voalohany amin’ny fanompoam-pivavahana kristiana marina: nomena saina matsilo mba ahafantarana Ilay itsaohana (jereo 1 Jaona 5.20).

Dia hoy ny Tompo avy eo tamin’ilay vehivavy Samaritana: “Fa avy ny andro, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany. Andriamanitra dia Fanahy, ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana” (Jaona 4.23-24).

Izany, rehefa ambara tanteraka, no toetra mampiavaka ny fanompoam-pivavahana kristiana. Manambara ny tenany ho toy Ilay Ray mitady sy manangana zanaka mba hitsaoka Azy Andriamanitra. Toetra vaovao amin’ny fanompoam-pivavahana izany, mifanohitra tanteraka amin’ny fanompoam-pivavahana Jiosy taloha izay namela ny mpivavaka lavitra an’Andriamanitra, amin’ny fatahorana sy fangovitana. Ny Ray, noho ny fitiavany, dia mitady olona mivavaka Aminyka maneho ny tenany amin’ny anarana maha-te-ho tia hoe “Ray”, ary mametraka azy ireo ho eo akaikiny sy ho toy ny olona afaka eo anatrehany, toy ny zanaka tiana. Manatanteraka izany amin’ny alalan’ilay Zanany sy amin’ny herin’ny Fanahy Masina Izy.

Andriamanitra, amin’izao fotoanan’ny fahasoavana izao, dia fantatr’ireo zanany tahaka ny Ray feno fitiavana sy fahamoram-po, ary amin’izany toetrany izany no itsaohana Azy. Izany no anjaran’ny kristiana izay malemy indrindra, ary na iza na iza zanak’Andriamanitra, dia afaka mivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana. Ilay Zanaka Lahitokan’Andriamanitra, Izay ao an-tratran’ny Ray, no manambara amintsika ny Ray tahaka ny nahafantarany Azy. Arotsaky ny Fanahy Masina ao am-pontsika ny fitiavana an’Andriamanitra; manao fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitra isika ary mitsaokany Ray araky ny anehoan’ny Zanaka Azy, amin’ny hery sy amin’ny fankamamiana araka izay itarihan’ny Fanahy Masina antsika.

Dia misy toetra iray hafa momba ny fanompoam-pivavahana ambara amintsika avy eo. Andriamanitra dia tokony hivavahana “amin’ny fanahy sy ny fahamarinana”, satria Izy dia Fanahy. “Ny mivavaka amin’ny fanahy, dia mivavaka araka ny tena maha-Izy azy an’Andriamanitra sy amin’ny herin’ny fiombonana izay omen’ny Fanahin’Andriamanitra. Ny fanompoam-pivavahana ara-panahy izany dia mifanohitra amin’ny fombafomba, ny lanonana sy ny hetsipom-pivavahana hain’ny nofo atao. Ny mitsaoka an’Andriamanitra “amin’ny fahamarinana”, dia mitsaoka Azy araka ny fanambaranyny tenany” (J.N.Darby).

Satria Andriamanitra dia fanahy, tsy ankasitrahany raha tsy fanompoam-pivavahana ara-panahy. “Izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana”. Adidy tsy maintsy atao amin’ny maha-izy Azy izany. Nomeny fahaizana tanteraka hanao izany isika, satria misitraka ny fiainam-baovao amin’ny Fanahy, ary izany fiainana izany dia araka ny fanahy fa tsy araka

Page 34:  · Web viewTOKO 3 Ny fiangonana : Ny fisehoany isan-toerana 3.1 Ny fototry ny fivoriana araka ny Soratra Masina

73 Ny fahefana avy amin’Andriamanitra

ny nofo. Miaina noho ny Fanahy isika; mandeha noho ny Fanahy isika ary “manompo amin’ny Fanahin’Andriamanitra, manao an’i Kristy Jesoa ho reharehantsika ka tsy mitoky amin’ny nofo” (Filipiana 3.3). Noho izany, ny fanompoam-pivavahana kristiana dia fanehoana ilay fiainam-baovao ao anaty amin’ny hery sy ny fahefan’ny Fanahy Masina. Manilika ireo fomba fiteny rehetra araka ny olona izany, ireo lanonana sy ireo fombafombam-pivavahana mahatalanjona, satria ny fanompoam-pivavahana amin’ny fanahy sy ny fahamarinana dia tsy misy hifandraisana amin’izany zavatra izany, izay noforonin’ny nofo sy ny sitrapon’olombelona; ny herin’ny nofo anefa dia tsy mana-toerana mihitsy ao amin’ny fanompoam-pivavahana atao ho an’Andriamanitra.

Ny toerana anaovana fanompoam-pivavahana

Ny epistily ho an’ny Hebreo no manoro mazava izany. Ao amin’ny toko faha-10 (and 19-22) no hamakiantsika izao teny izao: “Koa amin’izany, ry rahalahy, satria manana fahatokiana hiditra ao amin’ny fitoerana masina isika noho ny ran’i Jesoa, amin’izay làlana natokany ho antsika, dia làlana vaovao sady velona, namaky teo amin’ny efitra lamba, dia ny nofony, sady manana Mpisorona lehibe mitandrina ny tranon’Andriamanitra, dia aoka isika hanatona…” Hitantsika eto fa ny ran’i Jesoa, ny efitra lamba izay triatra, ary ny mpisoronabe izay mitandrina ny tranon’Andriamanitra, no manome antsika fahalalahana tanteraka hiditra eo amin’ny fitoerana masina — ny masina indrindra — mba hanao fanompoam-pivavahana. Ny toerana anaovantsika fanompoam-pivavahana izany dia eo amin’ny fanatrehana mivantana an’Andriamanitra, Izay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany. Nomeny alàlana hiseho eo anatrehany foana isika, noho ny fahasoavany lehibe, amin’ny alalan’ny ra sarobidin’i Jesoa. Io no toerana masina izay antsika, izay hiarahantsika manatona rehefa mivory manodidina ny Tompo isika mba hitsaoka sy hidera.

Aoka ho lazaina koa fa ny Zanaka, dia ny Tompo Jesoa Kristy, dia mitovy amin’ny Ray ary anton’ny fanompoam-pivavahana, “mba hanajan’ny olona rehetra ny Zanaka, tahaky ny fanajany ny Ray. Izay tsy manaja ny Zanaka dia tsy manaja ny Ray, Izay naniraka Azy” (Jaona 5.23).

Angamba tsara hamafisina eto indray izay efa voalaza tany aloha:

Ny mpino rehetra dia mpisorona avokoa

Manana tombontsoa manokana mitovy izy ireo, ary samy manatona an’Andriamanitra “hanatitra fanati-panahy sitrak’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy” (1 Petera 2.5,9). Mba hanatanterahana ny tena fanompoam-pivavahana marina, dia tokony hivory amin’ny maha-mpino antsika fotsiny isika, mahatsapa fa isika rehetra dia mpisorona, afaka manao fanompoam-pivavahana. Tsy maintsy avela hiasa malalaka ny Fanahin’Andriamanitra hampiasa izay tiany hanambara ireo fiderana atolotrin’ny fiangonana tafavory. Mety ho rahalahy iray, na enina, na roa ambin’ny folo no hampiasainy hanambara ireo fiderana mety atao.

Ao amin’ny 1 Korintiana 14.15-19,24 no ahitantsika ny fomba fiteny iray feno avy amin’Andriamanitra momba ny fanompoam-pivavahana sy ireo fivorian’ny fiangonana. Voalaza ao ny mivavaka am-panahy sy an-tsaina, ny mihira am-panahy sy an-tsaina, ny misaotra am-panahy, ny misaotra, ny maminany sy ny miteny ao amin’ny fiangonana. Ireo no hetsika nitondran’ny Fanahy Masina ireo mpino voalohany raha tafavory izy ireo. Izany koa no tiany hitarihana antsika ankehitriny mba ahafahantsika mankalaza ny anaran’Andriamanitra amin’ny fihirana sy hidera Azy amin’ny fisaorana (Salamo 69.30).

Ny feon-kira tendren-java-maneno

Aoka ho marihina koa fa na ao amin’ity tsongandahatsoratra ity, izay famaritana avy amin’ny tsindrimandry ny amin’ny fomba ivorian’ny kristiana miaraka (1 Korintiana 14), na ao amin’ny Asa na ny Epistily, dia tsy misy firesahana fitendrena zava-maneno mandritra ny fanompoam-pivavahana. Ny feon-kira tendren-java-maneno dia tsy manana ny toerany ao amin’ny fivoriana toy izany ary mifanohitra amin’ny foto-pisainana sy ny toetry ny fiangonana mivory toy izany. Amin’io fotoana io, tsy ny hahafaly ny sofintsika no ilaina, na ny hanao izay hahafinaritra ny mpihaino amin’ny feo mahasondriana, fa ny hanolotra an’Andriamanitra izay tokony ho Azy, izay efa namenoany ny fontsika tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Ny zavatra ekena sy ankasitrahan’ Andriamanitra dia ny “salamo sy ny fihirana ary ny tononkiram-panahy” (Efesiana 5.19), “mihira amin’ny fahasoavana ao am-ponareo ho an’Andriamanitra” (Kolosiana 3.16). Rehefa dinihina, araka ny lazain’i Haydn, ilay mpamoron-kira malaza iray, dia tsy misy zava-maneno afaka mifaninana amin’ny feon’olombelona. Teo amin’i Isiraely, izay vahoaka etỳ an-tany, dia nanana ny toerany ny feon-kira tendren-java-

Page 35:  · Web viewTOKO 3 Ny fiangonana : Ny fisehoany isan-toerana 3.1 Ny fototry ny fivoriana araka ny Soratra Masina

74 Ny fahefana avy amin’Andriamanitra

maneno, ny Eglizy anefa dia vahoaka any an-danitra, koa ny zavatra rehetra dia tokony atao araka ny Fanahy Masina.

Fanajana

Tsy tokony ampiana intsony fa ny fanajana dia miaraka mandrakariva amin’ny toe-panahy tena mitsaoka. Satria isika miditra amin’ny toerana masina, dia tokony ho feno ny fanajana sy ny tahotra masina mendrika ny fanatrehan’Andriamanitra ny fanahintsika. Raha dinihintsika ireo ohatra ny amin’ireo mpivavaka ao amin’ny Soratra Masina, dia hitantsika fa ireo olona masina,nandritra ny fotoana nifandimby, dia niezaka naneho fanajana teo anatrehan’Andriamanitra, tamin’ny fihetsika ivelany rehefa mitsaoka sy mivavaka. Niankohoka teo imason’Andriamanitra i Abrahama (Genesisy 17.3); Mosesy dia niondrika tamin’ny tany ary niankohoka (Eksodosy 34.8); ny Levita dia niteny tamin’ny vahoaka hoe: “Mitsangàna, ka misaora an’i Jehovah Andriamanitrareo” (Nehemia 9.5). Ny magy dia niankohoka sy nankalaza an’i Jesoa Zaza, ary ilay boka sitrana dia niankohoka teo amin’ny tongotr’i Jesoa (Matio 2.11; Lioka 17.16). Ny fanaovana fihetsika tsy rototra sy baranahina mandritra ny fiderana na ny fivavahana (raha tsy misy fahasembanana mahatonga izany) dia azo antoka fa fampisehoana tsy fanajana eo imason’ny Tompo.

Fanolorana ny fananantsika

Tianay koa ny hitarika ny saina fa ao amin’ny Hebreo 13.15,16 dia miaraka amin’ny sorona fiderana ny fanolorana ny fananana. “Fa fanatitra toy izany no sitrak’Andriamanitra” (ara-panahy sy ara-pananana). Toy izany koa, ao amin’ny Deotoronomia 26, dia marihina fa ny fanaterana ny fahafolon-karena dia miaraka amin’ny fanaterana ny harona misy ny voaloham-bokatra ho an’i Jehovah. Ary satria ny apostoly, ao amin’ny 1 Korintiana 16.1-2 dia milaza amintsika, momba ny famoriam-bola ho an’ny olona masina, hoe “Amin’ny andro voalohany isan-kerinandro dia samia manokana ao aminy avy ho rakitra na amin’inona na amin’inona hanambinana azy”, dia mety raha, isaky ny fivoriana hanaovana fanompoam-pivavahana, no mitondra koa ho an’ny Tompo ny fanatitra avy amin’ny zavatra ananantsika isika, mba hanaovana ny asany. Io no fotoana tsara indrindra hanangonan-javatra ho an’ny asan’ny Tompo, ho an’ny zavatra ilain’ny mahantra, sy ny sisa. Noho izany, dia manana tombontsoa manokana isika hanolotra ny fanati-piderana sy ny fanati-pananana, raha manaraka ny toe-tsaina tokony hanaovana ny fanompoam-pivavahana.

Enga anie ka hiara-hiombona ny fontsika hidera Azy sy hanao fanompoam-pivavahana tena kristiana marina amin’ny fanahy sy ny fahamarinana. Enga anie ka hiaraka amin’ny Tompo isika mandritra ny herinandro ka ny harona misy ny voaloham-bokantsika, raha azo lazaina ho izany, dia ho feno fiderana rehefa tonga amin’ny fivoriana ho amin’ny fanompoam-pivavahana isika isaky ny andro voalohany amin’ny herinandro, ary enga anie ka hipololotra avy ao am-pontsika ny fiderana eo anatrehany. Enga anie ka ho afaka hiteny toy ilay ampakarina ao amin’ny Tononkiran’i Solomona isika hoe: “Sady ao am-bavahadintsika misy voankazo tsara samihafa, na ny vao na ny ela, efa notehiriziko ho anao izany, ry malalako” (Tonon-kiran’i Solomona 7.14).

2. Ny fivoriam-bavaka

Ny bokin’ny Asa dia mampiseho amintsika fa ny vavaka sy ny fivoriam-bavaka dia nanana toerana lehibe tokoa tamin’ireo zavatra nataon’ireo mpino tao amin’ny fiangonana ao amin’ny Testamenta Vaovao. Vao amin’ny fiandohan’ny boky, dia hitantsika ireo mpianatra (izay tokony ho roapolo amby zato) niray saina naharitra tamin’ny vavaka sy ny fitalahoana tao Jerosalema, raha niandry ny fahatongavan’ny Fanahy nampanantenaina azy. Ny vavaka no iray amin’ireo zavatra efatra nataon’ny Fiangonana vao niforona tamin’ny faharetana, taorian’ny nilatsahan’ny Fanahy tamin’ny andro Pentekosta. Ny bokin’ny Asa iray manontolo, dia ahitantsika fa nivory hiombom-bavaka ireo mino. Hitantsika koa fa nisy ny fivoriana nantsoina mba hivavahana isaky ny misy olana, ary fitahiana lehibe avy amin’Andriamanitra no setrin’izany.

Misy ohatra mahavariana ao amin’ny Asa 4 momba ny herin’ny vavaka iombonana: “Ary rehefa nivavaka izy, dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany; dia feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin’Andriamanitra tamin’ny fahasahiana…Ary tamin’ny hery be no nanambaran’ny Apostoly ny nitsanganan’i Jesoa Tompo; ary fahasoavana be no tao amin’izy rehetra” (and 31,33).

Izany no vokatra tsara noho ny vavaka iombonana tao amin’ny Fiangonana: ampianarina antsika amin’izany fa ny làlana ahazoana hery ara-panahy sy fahasahiana ho an’i Kristy dia ny manandratra ny feontsika amin’Andriamanitra amin’ny fiombonana amin’ny alalan’ny vavaka. Azontsika tsoahina, avy amin’io tsongandahatsoratra io sy ny maro hafa koa momba ny fiombonam-

Page 36:  · Web viewTOKO 3 Ny fiangonana : Ny fisehoany isan-toerana 3.1 Ny fototry ny fivoriana araka ny Soratra Masina

75 Ny fahefana avy amin’Andriamanitra

bavaka ao amin’ny bokin’ny Asa, fa zavatra tena ilaina ny fivoriam-bavaka ara-potoana ao amin’ny fiangonana, ary tsy misy kristiana na vondrona kristiana afaka handroso ara-panahy raha tsy mivory hiara-hivavaka. Ny fivoriam-bavaka ara-potoana dia ilaina sy iankinan’ny ain’ny fiangonan’ny mpino. Tokony hisy ao amin’ny fiangonana tsirairay ny fivoriana isan-kerinandro hivavahana, ary tokony hisy fivoriana manokana antsoina rehefa misy ilàna izany manokana; izany no hitantsika ao amin’ny bokin’ny Asa.

Ny vavaka iombonana

Ny mpamaky mandinika tsara ny Soratra Masina dia mahatsapa ny toerana lehibe nananan’ny vavaka nataon’olon-drery, mitokana, teo amin’ny fiainan’ireo olon’Andriamanitra, na ao amin’ny Testamenta Taloha na ao amin’ny Vaovao, ary mety misy mieritreritra fa io vavaka ataon’olon-drery io ihany no tokony ilaina. Nefa hitantsika fa misy ny fitahiana manokana azo amin’ny vavaka iombonana ary ny Tompo efa nanome teny fampanantenana manokana ny amin’ny famaliana ny vavaka iombonana. “Raha misy roa aminareo mifanaiky etỳ ambonin’ny tany na amin’inona na amin’inona ka hangataka izany, dia ho azony avy amin’ny Raiko izay any an-danitra izany” (Matio 18.19). Teny fampanantenana manokana tsy tanteraka io raha tsy iombonana ny vavaka.

Marina fa azo atao ny mivavaka manokana any an-trano, ary mahazo fitahiana sy valim-bavaka, nefa tsy misy azo oharina amin’ireo vavaka atao amin’ny fivoriam-bavaka, satria ny vavaka ataon’ny fiangonana dia misandratra mankany amin’ny seza fiandrianan’ny fahasoavana ary mandray fitahiana manokana, satria natao tamin’ny anaran’ny Tompo Jesoa. Raha “ny fiasan’ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra” (Jakoba 5.16), inona no valiny tsy ho azo andrasana avy amin’ny fitalahoana miredareda ataon’ny fiangonan’ny marina miray amin’ny fangatahany ary entanin’ny Fanahy Masina ?

Ny vavaka ataon’ny fiangonana dia tsy voabango amin’ny fitambaran’ny vavaka ataon’ny rahalahy tsirairay, izay mangataka zavatra iray, tsy akory, fa fanehoana vavaka iray ihany, izay mafimafy kokoa noho ny firindra ataon’ny Fanahin’Andriamanitra amin’ireo olona manatrika eo. Mivavaka toy ny olona iray ihany ireo rehetra eo, manolotra fangatahana iray, ary ny rehetra dia miteny hoe “amena” amin’izany fangatahana miakatra ho any amin’Andriamanitra amin’ny anaran’ny Tompo Jesoa izany. Noho izany, ny vavaka toy izany izay atao amin’ny fiombonana dia manana hery manokana. Izany no fahefana nankinina tamin’ny Eglizy, izay azo ampiasaina ho amin’ny vavaka sy fitalahoana, ahazoana tombontsoa sy fitahiana tsy tambo isaina ho azy sy ho an’ny hafa.

Aoka ho marihina anefa fa misy fepetra ara-panahy tsy maintsy ilaina amin’izany vavaky ny fiangonana izany: fitovian’ny fisainana tanteraka, fifanarahana sy fiombonam-po. “Raha misy roa aminareo mifanaiky etỳ ambonin’ny tany na amin’inona na amin’inona ka hangataka izany, dia ho azony izany”. Ny tanjaky ny teny ifotony dia ity: “Raha misy roa aminareo miaraka manao amboaram-peonkira”, manao feo iray. Tsy tokony hisy naoty mivalana, tsy tokony hisy tsy firindrana, tsy tokony hisy feo tsy mitovy eo anivon’ireo mivavaka, mba hisian’ny vavaky ny fiangonana mahazo valiny. Tokony hanatona ny seza fiandrianan’ny fahasoavana isika amin’ny fo, fisainana sy fanahy miombona tanteraka isika, raha tsy izany, dia tsy afaka hanantena hahazo valiny araka ny teny fampanantenana nataon’ny Tompo ao amin’ny Matio 18.19isika.

Io firindrana masina io sy io fitovian’ny fisainana io dia toetra mamaritra ny mpino sy ny fivoriam-bavaka ao amin’ny bokin’ny Asa, ary manazava ny hery ara-panahy sy ny fitahiana narotsak’Andriamanitra eo noho eo taminy. “Ireo rehetra ireo niray saina naharitra nivavaka”; “teo amin’ny fitoerana iray izy rehetra”; “Ary dia niray saina isan’andro izy ka nazoto nankeo an-kianjan’ny tempoly”; “niara-nanandratra ny feony ho amin’Andriamanitra” izy ireo (Asa 1.14; 2.1,46; 4.24).

Manana lanjany lehibe tokoa ara-panahy izany zavatra rehetra izany ary manana fahefana lehibe hanova ny fihetsika sy ny toetran’ireo fivoriam-bavaka ataontsika. Maninona moa ireo fivoriam-bavaka ataontsika no matetika toa osa, mangatsiaka, maty ary tsy misy vokany ? Tsy satria ve matetika ny mpino dia mivory tsy manana fihetseham-po iray sy tsy misy tanjona voafaritra mazava sy iombonana mba hanaovana vavaka fangatahana? Io fitoviam-po sy fisainana io dia tsy tena ampy eo amin’ny mpino tokoa ankehitriny, ary tokony handini-tena isika mba ahafantarana raha manaiky na tsia ny fangatahana na ireo fangatahana atolotra eo anoloan’ny seza fiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fivoriam-bavaka ataontsika.

Ireo fangatahana manokana

Matetika ny fivoriam-bavaka dia tsy manana anton-javatra voafaritra mazava tsara, ary dia mitovy amin’ny fibedibedena manjavozavo ny vavaka. Raha dinihintsika tsara ny Soratra Masina,

Page 37:  · Web viewTOKO 3 Ny fiangonana : Ny fisehoany isan-toerana 3.1 Ny fototry ny fivoriana araka ny Soratra Masina

76 Ny fahefana avy amin’Andriamanitra

inona no ampianariny antsika? Tokony hivoryamin’ny fametrahana ao am-poanton-javatra na fangatahana voafaritra mazava tsara izay hiarahantsika hatolotra an’Andriamanitra isika. Izany no nanamarika ireo fivoriam-bavaka ao amin’ny Soratra Masina. Mazàna dia nanana anton-javatra voafaritra mazava ny mpianatra, nataony am-po ary nifampizarany mba ho entina amin’ny vavaka iombonana.

Tao amin’ny Asa 1 sy 2, dia niandry ny Fanahy nampanantenaina izy rehetra ary nanantena an’Andriamanitra tamin’ny fiombonana mandram-pahatongany. Ao amin’ny Asa 4, dia niombom-bavaka izy rehetra mba ho feno fahasahiana hitory ny tenin’Andriamanitra, ary mba hisian’ny famantarana sy fahagagana ho tanteraka amin’ny anaran’i Jesoa. Ao amin’ny Asa 12, dia nanao vavaka miangavy dia miangavy tamin’Andriamanitra ny fiangonana mba hanafahana an’i Petera avy ao an-tranomaizina. Ny fivoriam-bavak’izy ireo dia niavaka noho ny fangatahana voafaritra mazava ary noho ny firindrana tsara izay nampidina ny hery avy any ambony sy ny valim-bavaka avy amin’Andriamanitra.

Raha nangataka tamin’ny Tompo ny mpianatra hoe: “Mampianara anay hivavaka”, dia nomeny vavaka fohy, tsotra sy mivantana. Dia niresaka ny amin’ilay olona tonga mamatonalina tany amin’ny namany Izy, mba hangataka mofo telo; na dia nandà aza io namany io tamin’ny voalohany, noho ny fanelingelenana nataony, dia nomeny ihany ny zavatra nangatahany (Lioka 11.1-10). Eto koa, dia mianatra mamaritra tsara ny vavaka atao isika, mitalaho ary maharitra. Ireo tenin’ny Tompo ireo dia milaza fangatahana iray natao noho ny zavatrailaina marina sy mazava tsara, atolotra amin’ny fo sy saina mifantoka amin’ny zavatra iray. Tsotra ilay fangatahana, mivantana, mazava ary feno hafanam-po sy faharetana : “Ry sakaiza, ampisambory mofo telo aho”. Tsy kabary lava reny miriorio sy mahasorena izany, miresaka zavatra isan-karazany sy misy fanazavana tsy mety tapitra, toy ny izay hita matetika amin’ny fivoriam-bavaka.

Vavaka fitorian-teny lava reny

Ny mivavaka marina, dia tsy hoe filazana zavatra be dia be amin’ny Tompo, amin’ny famerimberenana fehezan-teny mahazatra na amin’ny fanazavana foto-pampianarana toy ny hoe manandrana manazava amin’Andriamanitra foto-kevitra sasany isika na hoe manome azy vaovao be dia be. Ny vavaka-toriteny lava be na ny vavaka-fampianarana dia tsy inona akory fa lesona sy famelabelarana ataon’olona mandohalika, nefa tsy misy ifandraisany amin’ny modely omen’ny Soratra Masina momba ny tena vavaka am-pahibemaso. Ny lahateny toy izany dia manjary mahamaina ny fivoriam-bavaka ataontsika ary manala ny famelombelomana sy ny tombontsoa entiny, ary ny heriny. Ny fivoriam-bavaka dia toerana tokony hanehoana ny zavatra ilaintsika sy ny fahalemena tsapantsika, toerana tokony hiandrasantsika ny fitahiana sy ny hery avy amin’Andriamanitra. Tokony ho eo isika mba hamboraka ny fontsika eo imason’Andriamanitra amin’ny fanaovana fangatahana miredareda mba hanomezana antsika fitahiana, ary amin’ny fanelanelanana feno hafanam-po mba hamaliana ny zavatra ilaintsika, ny zavatra ilain’ny Fiangonan’Andriamanitra sy ny olona. Izany no atao hoe tena vavaka.

Ny fandinihana tsara ny Soratra Masina dia mampiseho fa ny vavaka lava reny am-pahibemaso dia tsy fitsipika ao anaty Baiboly. Manohitra izany amin’ny teny masiaka tokoa ny Tompo. “Ary raha mivavaka ianareo, dia aza mba manao teny maro foana tahaka ny jentilisa; fa ataony ho ny hamaroan’ny teniny no hihainoana azy” (Matio 6.7). Ny amin’ny mpanora-dalàna, dia milaza Izy fa “mandany ny tranon’ny mpitondratena ka manao vavaka lavareny mba ho fiolahana” izy ireo (Marka 12.40). Tamin’ny fahendrena tokoa no nilazan’i Solomona hoe: “Tandremo ny tongotrao, raha mankao an-tranon’Andriamanitra ianao; fa ny manatona hihaino no tsara noho ny fanateran’ny adala fanatitra; fa tsy fantatr’ireny ho manao ratsy izy. Aza haingam-bava, ary aza malaky manonona teny eo anatrehan’Andriamanitra ny fonao; fa Andriamanitra dia any an-danitra ary ianao etỳ an-tany, koa aoka ho vitsy ny teninao….ary ny haben’ny teny no isehoan’ny rediredin’adala” (Mpitoriteny 4.17 ka hatramin’ny 5.2). Ny tokony ho tsoahintsika avy amin’ireo tsongandahatsoratra eo ambony ireo izany, dia ny hoe izay olona manao vavaka lava be dia mitovy lenta amin’ny jentilisa, ny mpanora-dalàna ary ny adala, izay famaritana tsy dia midera loatra.

Ny vavaka lava indrindra voalaza ao amin’ny Baiboly dia ny vavaka nataon’i Solomona tamin’ny fanokanana ny tempoly: azo vakiana ao anatin’ny dimy minitra izy io; ny vavaka nataon’ny Tompo ao amin’ny Jaona 17, izay sarobidy tokoa ary feno fampiononana, izay lava indrindra ao amin’ny Testamenta Vaovao, dia azo vakiana ao anatin’ny telo minitra. Ny vavaka fohy, mafana, mazava tsara, dia mamelombelon’aina, manome lanja sy hery ny fivoriam-bavaka; mifanohitra amin’izany, amin’ny ankapobeny, ny vavaka tsy mety tapitra dia mitondra fahamainana sy alahelo eo amin’ny fivoriana. Aleo mivavaka imbetsaka nefa fohy ao amin’ny fivoriam-bavaka toy izay mivavaka indray mandeha nefa lava dia lava.

Page 38:  · Web viewTOKO 3 Ny fiangonana : Ny fisehoany isan-toerana 3.1 Ny fototry ny fivoriana araka ny Soratra Masina

77 Ny fahefana avy amin’Andriamanitra

Finoana sy famelan-keloka

Mba handairan’ny vavaka iray, dia tsy maintsy mivavaka amin’ny finoana. “Na inona na inona tononinareo amin’ny fivavahana sy angatahinareo, dia minoa fa efa nandray ianareo, dia ho azonareo izany” (Marka 11.24). Tokony hivavaka amin’ny finoana tsotra isika, amin’ny fo feno fahatokiana tanteraka fa handray izay angatahintsika isika. Mba hisandratan’ny vavaka ataontsika eo amin’ny seza fiandrianan’ny fahasoavana, dia tokony hiakatra amin’ny finoan’ny fo miredareda sy matoky izy.

Aorian’ireo teny voalaza eo ambony ireo momba ny vavaka atao amin’ny finoana, dia mametraka fepetra iray ny Tompo mba hahatanterahan’ny vavaka. “Ary raha mitsangana mivavaka ianareo, ka misy olona anananareo alahelo, dia mamelà ny helony, mba havelan’ny Rainareo izay any an-danitra kosa ny helokareo” (Marka 11.25). Raha tiantsika ho henoina sy ho valiana ny vavaka ataontsika, dia tokony hanana toetra mamela heloka isika. Raha mihazona ao am-po ny lolompo sy ny alahelo amin’ny mpino sasany isika, dia tsy misy ny tena fiombonana ao amin’ny vavaka, tsy afaka miasa malalaka ny Fanahin’Andriamanitra, ary ho tsapa ny hatsiaka aterak’izany ao amin’ny fivoriam-bavaka.

Zava-dehibe tokoa ny mahatsiaro fa ny tena vavaka marina dia tsy maintsy atao amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. “Ary mivavaha mandrakariva ao amin’ny Fanahy amin’ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana”, “Mivavaha ao amin’ny Fanahy Masina” (Efesiana 6.18; Joda 20). Mba hisian’izany, dia tokony hiasa malalaka ny Fanahy Masina, tsy omena alahelo na vonoina ao am-pontsika na ao amin’ny fiangonana.

Nolazaina matetika fa ny vavaka dia fitempon’ny fon’ny fiangonana. Ny toetra sy ny fomban’izany fivoriana izany no fanondroana sy vavolombelon’ny toetra ara-panahin’ny fiangonana iray manontolo. Raha tsy be mpanaraka ny fivoriam-bavaka, raha marisarisa izy, dia azo antoka fa tsy tsara ny toetra ara-panahin’ny fivoriana. Na iza na iza minia mihataka amin’ny fivoriam-bavaka dia azo antoka fa tsy ara-dalàna ny toe-panahiny. Ny mpino salama tsara, sambatra, mafana fo sy mazoto dia tsy maintsy tonga amin’ny fivoriam-bavaka, raha afaka.

Enga anie ka hahalala bebe kokoa ny tena vavaka marina isika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, enga anie ka hampiharintsika bebe kokoa izay lazain’ny Soratra Masina momba ny vavaka sy ny fivoriam-bavaka, ary haharitra amin’izany zavatra izany isika.

3. Ny fivoriana ho amin’ny famakiana sy fianarana ny Baiboly

Na dia tsy voalaza mazava ao amin’ny Testamenta Vaovao aza fa ny kristiana voalohany dia nanana fivoriana manokana mba hamakiana sy hiarahana mianatra ny Baiboly, dia betsaka ireo tsongandahatsoratra ao amin’ny Soratra Masina no mamporisika ny mpino hanao fivoriana toy izany. Ny vahoakan’Andriamanitra dia mila fampianarana ao amin’ny fahamarinana, ny zanak’ondry sy ny ondrin’i Kristy dia tsy maintsy fahanana sy hampiorenina amin’ny finoana. Fotoana tsotra sy tsara hamaliana izany zavatra ilaina izany ny mivory tsotra izao mba hamaky sy hianatra ny Teny.

Amin’izao vaninandro izao, dia tsy tokony hiandry torolàlana mazava ao amin’ny Testamenta Vaovao isika momba ny antsipirihany amin’ireo fivoriana, etsetra, satria ny Fanahy Masina dia eo mba hitarika antsika, ary tsy tokony ho sakatsakanana amin’ny asany na ny fomba ampiasainy Izy. Raha misy fomba enti-manao ireo fivoriana ireoizay mifanaraka amin’ny fitsipika ankapobeny ao amin’ny Soratra Masina, ary mikendry ny fampandrosoana, dia tsy mila alàlana hafa isika.

Ohatra notsoahina tamin’ny Soratra MasinaXXX

Araka ny efa voalaza, dia betsaka anefa ny tsongandahatsoratra ao amin’ny Soratra Masina izay manoro amintsika ireo toetoetra lehibe tokony hisy eo amin’ny fivoriana mba hamakiana sy hianarana ny Teny. Ao amin’ny Hebreo 10.25, dia anarina isika mba tsy hahafoy ny fiarahantsika miangona, mba hifananatra, indrindra fa satria efa hitantsika fa miha-antomotra ny andro. Na dia fananarana ankapobeny momba ny fivorian’ny mpino noho ny antony samihafa aza izany, dia manome antsika fototra araka ny Baiboly ho an’ny fivoriana manokana mba hianarana ny Teny sy hifananarana.

Misy ohatra fivoriana hamakiana ny Teny izay tsara ho marihina ao amin’ny Nehemia 8 sy 9. Nivory teo anoloan’ny vavahadin-drano ny vahoaka aryisan’andro, dia novakian’i Ezra sy ny mpiara-miasa aminy “mazava ny teny tao amin’ny bokin’ny lalàn’Andriamanitra, sady nohazavainy tsara ny heviny, ka dia azon’ny olona tsara ny teny novakina” (8.8). Nandritra ny ampahefatry ny andro no namakiany teny tao amin’ny boky, izany hoe nanana fivoriana hamakiana ny Baiboly izy, ary ny

Page 39:  · Web viewTOKO 3 Ny fiangonana : Ny fisehoany isan-toerana 3.1 Ny fototry ny fivoriana araka ny Soratra Masina

78 Ny fahefana avy amin’Andriamanitra

ampahefatry ny andro hafa kosa dia natokana mba hiaikena ny hadisoana sy mba hiankohofana eo anatrehan’Andriamanitra (9.3).

Ireo toetra fototra rehetra tokony hisy eo amin’ny fivoriana mba hamakiana ny Teny dia hita koa ao amin’ilay fivoriana tao amin’ny tempoly ao amin’ny Lioka 2.46,47, raha teo afovoan’ny mpampianatra i Kristy, nihaino azy ireo, nametraka fanontaniana sy nanome valiny. Ireo toetra ireo ihany koa no hita tany Laodikia sy Kolosia, raha novakiana voalohany tamin’ireo mpivory mba handre izany ny taratasy roa nosoratan’ny apostoly (Kolosiana 4.16).

Ankoatra izany, ny faharetan’ny mpianatra tamin’ny fampianaran’ny apostoly sy ny fiombonana, araka ny voalazan’ny Asa 2.42, dia toa manambara fa ny mpino tamin’izany dia tokony ho nikatsaka mandrakariva ny fiarahana tamin’ny apostoly mba ahazoana mifampiresaka tsara amin’ireo izay niaraka tamin’i Jesoa; nisokatra ny sain’ireo mpanaraka ny Tompo ireo ary tamin’izay fotoana izay, dia efa nitafy ny herin’ny Fanahy Masina izy ireo, mba hampita izay rehetra nianarany mba ho vavolombelon’ny Tompo. Azo antoka fa hita amin’izany ireo toetra lehibe nisy teo amin’ny fivoriana natokana hamakiana sy hianarana ny Soratra Masina. Tsy azo hisalasalana fa nihaino izay voasoratra tao amin’ny Testamenta Taloha sy ny foto-pampianarana, velabelarina tao amin’ny Testamenta Vaovao izy ireo; tsy azo hisalasalana fa nifampiresaka momba ny fivavahana izy ireo, nifanontany sy nifanome valiny, ary izany rehetra izany dia nankafizina tamin’ny fiombonana tamin’ireo izay vory teo mba hifampizara ireo harena ara-panahy. Izany no atao hoe fivoriana mba hamakiana ny Baiboly amin’ny fomba tsotra dia tsotra.

Ny toetr’ireo fivoriana ireo

Mivory ny zanak’Andriamanitra, samy mitondra ny baiboliny, samy afaka mijery ny azy avy ny tsirairay, manamarina ny andininy voatanisa; ny rahalahy rehetra dia afaka mandray anjara amin’ny fanamarihana na ny fanontaniana. Mivory hamaky ampahiny amin’ny Soratra Masina izy ireo; mifanampy amin’ny fahazoana sy amin’ny fampiharana izany izy; ny fivoriana toy izany dia tena nitondra fitahiana be tokoa ho an’ny olona, indrindra tamin’ny taonjato faha-19. Tamin’ny fivoriana tsotra toy izany, tsy misy haitraitra, natao tany an-tokantranon’ny olona na tany amin’ny efitrano ho an’ny daholobe, no nahitana indray ny fahamarinana sarobidy, izay efa ela no adinon’ny Eglizy. Rehefa nandinika lalina ny Teny ireo rahalahy, dia nahita ireo fahamarinana ireo, ka namelabelatra izany toy ny vatosoa sarobidy tamin’ny asasoratra, azo vakiana hatry ny taona maro, izay nanazava be tokoa mpamaky an’arivony sy an’aliny tamin’ny fianaran’izy ireo ny Tenin’Andriamanitra.

Ny fivoriana ho famakiana ny Baiboly dia tokony hanana ny toetry ny fivoriam-pianakaviana izay misy ny ray, ny zatovo ary ny zaza ao amin’i Kristy, izay miara-mivory manodidina ny Teny voasoratra mba hahita tombontsoa, fianarana sy fahazavana, satria eo ny Fanahy Masina mba hitarika azy ireo ao amin’ny fahamarinana feno. Azo lazaina hoe sakafom-pianakaviana iarahana izay ahazahoan’ny zatovo sy ny antitra sakafo mampahatanjaka omena ny tsirairay ao amin’ny fianakaviana. Eo no hanomezana ny fampianaran’ny ray ao amin’i Kristy, eo no hizaran’ny mpampianatra nahazo fanomezam-pahasoavana manokana tamin’Andriamanitra ny zavatra notsoahiny avy ao amin’ny Teny. Eo koa no ametrahan’ny zaza bodo ao amin’i Kristy fanontaniana momba ny Soratra Masina. Matetika ny fanontaniana toy izany dia mitondra famelombelomana sy aina ao amin’ny fivoriana: voavelatra tsara ny fahamarinana — be kokoa ny fahazavana, lalina kokoa ny fahazoana azy, “sakafo ara-potoana”, mba ho fitahiana ho an’ny rehetra.

Fitahiana tsy miankina amin’ny fanomezam-pahasoavana

Raha tena ilaina sy ankafizina mihitsy ny fanomezam-pahasoavana ho mpampianatra amin’ny fivoriana toy izany, dia misy tombontsoa lehibe koa amin’ny fianarana ny Teny raha misy rahalahy samihafa milaza izay nampianarin’ny Tompo azy momba io tsongandahatsoratra io. Noho izany, dia tsy tokony ho kivy ny rahalahy raha vitsy ny fanomezam-pahasoavana eo amin’izy ireo mba hamelabelarana ny Soratra Masina, satria tahian’Andriamanitra foana ny fiaraha-mamaky ny Teniny raha misy faniriana an-kitsim-po handray zavatra avy Aminy.

Ny Ohabolana 13.23 no milaza amintsika fa: “Ny tanin’ny malahelo izay voasa dia ahazoana hanina be”. Mety tsy hanana afa-tsy fitaovana mondro ny mahantra mba hamadihana ny tany. Afaka miasa ny tany amin’ny fitaovana vaovao sy mandaitra ny mpanana. Nefa Andriamanitra no mampitombo ny azy rehetra. Noho izany, dia ny Fanahy Masina no tena hery manome ny fitomboana amin’ny fandinihina ny Soratra Masina. Monina ao amin’ny mpino tsirairay izy, na manana na tsy manana fanomezam-pahasoavana, ary izy no mampitsiry ny vokatra ho an’ireo izay miasa ny tanin’ny Tenin’Andriamanitra. Nefa raha tsy eo ny asa sy ny fikarohana lalina, dia tsy hamokatra ny sahantsika.

Page 40:  · Web viewTOKO 3 Ny fiangonana : Ny fisehoany isan-toerana 3.1 Ny fototry ny fivoriana araka ny Soratra Masina

79 Ny fahefana avy amin’Andriamanitra

Fianarana mitohy

Ahazoana tombontsoa be ny famakiana hatramin’ny farany boky samihafa ao amin’ny Baiboly, indrindra fa ny Testamenta Vaovao, ary tsipihina manokana amin’izany ny Epistily, izay manome fahazavana feno momba ny fahamarinana, indrindra amin’izao vaninandro ankehitriny misy ny Eglizy izao. Ny fianarana ny Baiboly toy izany, manaraka ny andininy tsirairay, izay ahafahana miresadresaka sy mametraka fanontaniana, dia tsara mandrakariva, ary vokatr’izany, dia “mamaka tsara sy miorina mafy ao aminy ary tafatoetra amin’ny finoana” ny mpino (Kolosiana 2.7). Hisy tombontsoa koa ny fianarana lohahevitra iray izay handinihana ampahany samihafa amin’ny Teny. “Ny Fanahy Masina: ny maha-Izy Azy sy ireo asany”, dia ohatra iray amin’izany lohahevitra izany.

Ny zavatra azo amin’ny fivoriana hianarana ny Baiboly dia toy ny ando mirotsaka moramora sy amin’ny fahanginana, hany ka zara raha tsikaritra fa ny fahamarinana dia mamelombelona, mamporisika ary mampahery, nefa ny voka-tsoan’izany dia ho tsapa any aoriana. Mifanohitra amin’izany, ho an’ireo izay mikatsaka fiontanam-po sy fanalan’andro, dia ho matroka sy manorisory ihany ny fivoriana hamakiana ny Baiboly.

Ireo fepetra ilaina ahazoana fitahiana

Toy ny amin’ny fivoriana hafa, dia misy fepetra ilaina mba hitahiana ny ora fianarana. Misy koa zavatra manakana ny fitahiana ary manaisotra amin’ny fivoriana ny famelombelomany sy ny vokany. Raha omena fahalalahana ny rahalahy rehetra handray anjara amin’izany fivoriana izany, dia tokony ho tsaroana fa ny fahalalahana dia tsy midika hoe fahalalahana tafahoatra. Ny fivoriana hianarana dia tsy toerana hitenenana satria te-ho henoina, hamoahana hevitra sampontsampona sy hiresahana zavatra tsy misy dikany. Ireo izay mandray anjara dia tokony hanao izany amin’ny fanekena ny Fanahy Masina ary mba “hampandroso ny fiangonana” (1 Korintiana 14.12). Amin’ny fivoriana toy izany, ny hevitry ny tena manokana na hevitra adaladala mikasika ny Soratra Masina dia tsy maintsy ahitsy amin’ny fifanakalozan-kevitra am-panetrentena sy am-pilaminana, miaraka amin’ny faniriana mba hifampianatra.

Ilaina koa ny mahatsiaro ny fananarana ao amin’ny Jakoba 3.1 hoe: “Ry rahalahiko, aza dia samy ho mpampianatra be ihany ianareo”, satria mety hisy rahalahy hirona amin’ny fisehoana ho mpampianatra mahay, hany ka matetika ny tsy fahalalana no mampiaka-peo. Ny Tompo mihitsy no manome ohatra tsara dia tsara amintsika amin’ny fanetrentenany. Raha mbola tanora Izy, dia nankeo afovoan’ireo mpampianatra, “nihaino sady nanontany azy”. Rehefa misy tranga isehoan’izany anefa, dia miharihary tsy iadian-kevitra intsony ny fahaizany avy amin’Andriamanitra, satria “talanjona izay rehetra nandre Azy noho ny fahalalany sy ny famaliany”.

Indraindray, ireo izay tokony hiteny sy hanambara hevitra tena ilaina dia mangina. Ho azy ireo izao teny izao: “Ary izay manana ny teniko, dia aoka hanambara marina ny teniko” (Jeremia 23.28). Ny zavatra tokony hisongadina ao amin’ny fivoriana, dia ny toe-tsaina mifanaiky, fihetsika milamina, mankatoa sy manetry tena, ary koa ny fahaizana mandray ny Tenin’Andriamanitra amin’ny fahamoram-po. Tokony hanana toe-tsaina tena miankina koa ny rehetra, miankina amin’ny Tompo ahazoana fitahiana, fa tsy mijery ireo olona izay fitaovana ihany ampiasainy ho fampandrosoana.

Raha toa ka ampahany amin’ny Teny no dinihina, dia mety ilaina sy mitondra voka-tsoa ny mivaona kely raha toa ka mampitodika amin’ny andininy hafa mikasika io lohahevitra io izany, na koa manitatra ilay lohahevitra, nefa tokony hitandrina mba tsy hivaona ny fifanakalozan-kevitra mandritra ny fivoriana hianarana, fa hifantoka amin’io ampahan’ny teny io. Raha be ny olona mandray anjara, loza mitatao foana ny fialàna amin’ilay lohahevitra. Fisavoritahana no vokatr’izany, ary very ny fitahiana. Tokony handosirana koa ny fifanakalozan-kevitra lava reny momba izay zavatra tsy dia mahaliana ny ankabeazan’ny mpihaino na tsy mitondra fifampandrosoana, na mikasika lohahevitra iadiana. Ny fanontaniana sarotra loatra, na izay tsy ifanarahana, dia tokony ailika aloha ary avela ho amin’ny andro hafa, rehefa mazavazava kokoa ao an-tsain’ny mpivory izany.

Ireo izay mandray anjara dia tokony ahatsiaro foana fa tombontsoa ho an’ny mpihaino rehetra no itenenany, fa tsy ho an’ilay rahalahy, na ireo rahalahy, vao avy niteny. Noho izany, dia tokony ho amin’ny feo mazava no itenenana, mba ahafahan’ny rehetra ahafantatra “izay lazaina” (1 Korintiana 14.9). Ireo zavatra nolazaina teo aloha ireo dia mamintina ny sasantsasany amin’ireo fepetra ilaina mba hahazoam-bokatsoa avy amin’ireo fivoriana fianarana. Enga anie ka hahita fitahiana ara-panahy bebe kokoa hatrany isika avy amin’ireny fivoriana atao eo ambanin’ny fitarihin’ny Fanahy Masina ireny.

Matetika dia tsara koa ny manakambana ny fivoriam-bavaka amin’ny fivoriana fianarana, raha toa ka tsy mety na mananosarotra ny fanaovana fivoriana roa samihafa.

Page 41:  · Web viewTOKO 3 Ny fiangonana : Ny fisehoany isan-toerana 3.1 Ny fototry ny fivoriana araka ny Soratra Masina

80 Ny fahefana avy amin’Andriamanitra

4. Fivoriana ho amin’ny fampianarana ny teny

Araka ny 1 Korintiana 14, dia mazava fa ny Eglizy apostolika dia nanana ireo ataontsika hoe “fivoriana malalaka”, ho amin’ny fampandrosoana, fananarana ary fampaherezana, izany hoe nanana fivoriana izy ireo izay nahafahan’ny tsirairay, miaraka amin’ny fepetra omen’ny Soratra Masina, hiteny mba ho fampandrosoana, araka izay nitondran’ny Fanahin’Andriamanitra azy. Hitantsika mazava tsara izany amin’ireto andininy ireto: “Raha misy miteny amin’ny fiteny tsy fantatra, dia avelao ho roa na telo…Ary aoka ny mpaminany roa na telo no hiteny, fa aoka ny hafa hamantatra; fa raha misy tsindrian’ny Fanahy ao am-pipetrahana, dia aoka hangina kosa ny voalohany; fa mahazo maminany tsirairay ianareo rehetra, mba hianaran’izy rehetra sy amporisihana azy rehetra” (and 27-31).

Amin’ny fivoriana toy izany, dia tokony ho ferana ho roa na telo no mandray fitenenana, mba tsy hisy firioriovan-tsaina; anarina kosa ireo izay mandray anjara fa “aoka ny zavatra rehetra atao ho fampandrosoana”; “aoka ny zavatra rehetra atao amin’ny fahamendrehana sy ny filaminana” (and 26,40). Ny fivoriana “malalaka” dia fivorian’ny fiangonana izay hiarahan’ny mpino ary hanantenany ny Tompo momba ny fanompoana, fa tsy misy rahalahy nolazaina mialoha handray fitenenana; matoky ny Tompo izy ireo fa Izy no hampandroso azy ireo amin’ny alalan’izay olona tiany. Maro no afaka mandray fitenenana hampandroso sy hanao soa, araka ny ambaran’ireo andininy teo aloha. Manan-danja tokoa ny fanaovana fivoriana toy izany amin’ny fomba tsy miovaova, mba hampiorenana sy hampaherezana ny fiangonana.

Ireo izay mitondra ny Teny dia tokony hikatsaka ny haha-mpanompo mahatoky sy hendry azy, izay manome ho an’ny isan’ny ankohonan’Andriamanitra “ny anjara hanina amin’ny fotoana”. Mitady olona toy izany ny Tompo, ary hoy Izy: “Sambatra ny mpanompo izay hitan’ny tompony fa, indreo, manao toy izany, raha avy izy” (Lioka 12.42-43). Tsy ampy ny manome hafatra mifanaraka amin’ny Soratra Masina, na mamelabelatra lohahevitra amin’ny fahaiza-miteny. Ny tian’ny Tompo, dia ny mba ho tonga “anjara hanina amin’ny fotoana” izany fanompoana izany, teny tonga amin’ny fotoana ilàna azy, ary mamaly ny hetahetan’ireo mpivory. Io no faritan’ny teny hoe “maminany”, izay ambaran’ny 1Korintiana 14 fa zavatra manan-danja tokoa, ary izany no zavatra tokony irintsika fatratra (and 39). Ny dikan’izany dia hoe: mampahalala ny fisainan’ny Tompo, na, araka ny nanoratan’i Petera azy: “Raha misy olona miteny, dia aoka izy hiteny toy ny milaza tenin’Andriamanitra (na mpitondra-teny)” (1Petera 4.11). Izany no manao fanompoana misy aina, amin’ny herin’ny Fanahy Masina, ary mamaly ny hetaheta amin’ny fotoany.

Hatreto, dia ny fivoriana samihafa izay fivorian’ny fiangonana no nojerentsika, toy ny fivoriana mba hamakina ny mofo sy hanaovana fiderana, ny fivoriam-bavaka, ny fivoriana hamakiana sy hianarana ny Baiboly, ary ny fivoriana “malalaka” ho an’ny fanompoana. Azo antsoina hoe “fivorian’ny fiangonana” ireo rehetra ireo. Misy fehezan-teny toy ireto ao amin’ny Soratra Masina: “Raha miangona ao am-piangonana ianareo”, “Koa raha vory ny mpiangona rehetra (eo amin’ny toerana iray)” (1 Korintiana 11.18; 14.23), “ao am-piangonana” (14.28,35).

Misy tsy mandray ny fivoriana hianarana ho toy ny fivoriam-piangonana, ary mety ho hita hoe somary samihafa kely amin’ny fivoriam-piangonana sasany izy15.

Ireo fivoriana samihafa

Nefa, ankoatra ny fivoriam-piangonana, dia tokony hisy fivoriana hafa eo anivon’ny kristiana. Araka ny efa nomarihintsika tao amin’ny andinin-tsoratra3.4— “Ny hevitr’Andriamanitra momba ny fanompoana” — ny rahalahy izay nandray fanomezam-pahasoavana manokana tamin’i Kristy ho an’ny Eglizy dia tokony hanao fivoriana izay iandraiketany manokana eo imason’ny Tompo. Ireo fivoriana ireo dia tokony ho andraikitr’ireo nofanina ho amin’izany ary raisiny ho adidy. Tsy tokony afangaro amin’ny fivoriam-piangonana izay ahafahan’ny rehetra mandray anjara araka ny hitarihin’ny Fanahy Masina azy ireny fivoriana ireny.

Ireo fivoriana izay nataon’i Paoly tao Efesosy tao amin’ny synagoga sy tao amin’ny trano fampianaran’i Tyrano dia ohatra amin’ny fivoriana andraikitry ny rahalahy iray (Asa 19.8-10). Io fiteny io no azo hamaritana ny fitoriana ny Filazantsara, ny sekoly alahady na ny fivoriana ho an’ny ankizy, ny tanora, sy ny fivoriana manokana hampianarana ny Teny.

15Satria ny ampahin’ny Soratra Masina na ny lohahevitra dinihina dia efa tapaka mialoha ary mety ho rahalahy maro no mifandimby mandray fitenenana. Marihina fa: — ny fianarana mitohy ampahan’ny Soratra Masina dia tsy manakana ny fitarihan’ny Fanahy hanazava izany. — ny didy famerana: “Telo, fa aza atao mihoatra noho izany” dia mifandraika amin’ny fitenenana amin’ny teny tsy fantatra, nefa aorian’izay, dia voalaza fa: “Ary aoka ny mpaminany roa na telo no hiteny, fa aoka ny hafa hamantatra”. Dia ampian’ny apostoly hoe: “fa mahazo maminany tsirairay ianareo rehetra, mba hianaran’izy rehetra sy amporisihana azy rehetra” (1 Korintiana 14.27,29,31). Fanamarihan’ny mpandika.

Page 42:  · Web viewTOKO 3 Ny fiangonana : Ny fisehoany isan-toerana 3.1 Ny fototry ny fivoriana araka ny Soratra Masina

81 Ny fahefana avy amin’Andriamanitra

Rehefa voavakaamin’ny fivoriam-piangonana ny fivoriana ataon’ny rahalahy, dia ndeha hojerentsika ny toetoetran’ireo fivoriana manokana ireo.

Fivoriana sy tafika masina hitoriana ny filazantsara

Amin’io lohahevitra io no hijerentsika ny fivoriana hitoriana ny filazantsara, ny sekoly alahady, ary ny fivoriana ho an’ny ankizy. Io asa fitoriana io dia manan-danja lehibe tokoa ary tokony ho vain-dohan-draharahan’ny fiangonana tsirairay. Na dia tsy ny fiangonana amin’ny maha-fiangonana azy aza no manao izany fivoriana izany, fa olona izay mandray ny andraikiny, nantsoin’ny Tompo hanao io fanompoana io, dia tokony hamporisika ireny fivoriana ireny ny fiangonana ary tokony hitondra am-bavaka sy hanampy ara-pitaovana ireny ezaka hahatratrarana ireo tsy mbola voavonjy ireny mba hampahafantarana azy ny làlan’ny famonjena, mba hitarihina azy ireo ho ao.

Raha toa atỳ amin’ny faran’ny fitanisana no nametrahanay ny fivoriana hitoriana ny filazantsara, tsy sanatria akory manamaivana azy miohatra amin’ireo fivoriana nodinihana teo aloha. Ny nojerena aloha dia ny fivoriana ataon’ny fiangonana, amin’ny maha-fiangonana azy, ary ho hitantsika izao fa ny fivoriana hitoriana ny filazantsara dia asan’ny mpino amin’ny maha-olon-tokana azy, satria ny fitoriana ny Filazantsara dia fanompoan’olon-tokana, manoloana ny tsy niova fo aloha, dia manoloana ireo efa voavonjy nefa tsy maintsy hampianarina ny fahamarinana. Io asa io dia miantefa indrindra amin’ireo olona nahazo ny fahasoavana manokana ho evanjelista tamin’ny Tompo; ny sehatra iasany dia izao tontolo izao, ivelan’ny fiangonana fa tsy ao anatiny.

Nefa na izany aza, ny fiangonana dia tokony hanana sekoly alahady sy fivoriana ara-potoana hitoriana ny filazantsara ho an’ny tanora sy ireo efa lehibebe. Resy lahatra izahay fa ny ampianarin’ny Soratra Masina dia ny hoe tokony hanao ny asan’ny evanjelista tanteraka ny fiangonana, hiredareda hitory ny Filazantsara ary ho feno hery hitady izay ahazoana ireo tsy mbola niova fo amin’ny teny fiainana. Afaka nanoratra ho an’ny fiangonana tao Tesalonika i Paoly hoe: “Fa avy taminareo no nanenoan’ny tenin’ny Tompo, tsy tany Makedonia sy Akaia ihany, fa teny tontolo eny no nielezan’ny lazan’ny finoanareo an’Andriamanitra” (1 Tesaloniana 1.8). Ny fiangonana dia tokony ho tahiry marina ivoahan’ny Filazantsara hanenika ny tontolo mbola maizina, ary avy eo no tokony hipoiran’ny evanjelista sy ny mpiasa handeha an-dalambe hitory ny vaovao mahafaly momba ny famonjena, amporisihan’ny fiombonana sy ny vavaka fampaherezana ataon’ireo olona ao amin’ny fiangonana.

Toy ny maha-fototra mafy ny filazantsara efatra ao amin’ny Testamenta Vaovao, sy ny fanekena ny Filazantsara ho fanorenana ny fiainana kristiana, no tokony hanaovan’ny fiangonana ny fitoriana ny Filazantsara ho fototry ny fijoroany vavolombelona. Ny fiangonana tsy manana fo hitory ny Filazantsara dia azo antoka fa tsy fiangonana araka ny modely avy amin’Andriamanitra izay hitantsika ao amin’ny Soratra Masina. Ny epistily ho an’ny Filipiana dia milaza ny fahazotoan’ny Filipiana hitory ny Filazantsara. Nisaotra an’Andriamanitra i Paoly “noho ny firaisanareo hampandroso ny filazantsara hatramin’ny andro voalohany” (1.3-5), ary afaka niteny izy hoe: “fa mpiombona ny fahasoavana ananako ianareo rehetra, na amin’ny fifatorako, na amin’ny famaliako hahafa-tsiny ny filazantsara sy ny fampianarako hahamafy orina azy” (1.7).

Tsy misy olona mety hanana fiainam-panahy tsara raha tsy mitady, amin’ny fomba samihafa, izay hitarihana olona ho an’i Kristy, ary tsy misy fiangonan’ny kristiana manana fiainam-panahy tsara, raha tsy miraika amin’ny famonjena ny fanahy ireo mpino ireo ka tsy miezaka hitondra ny Filazantsaran’ny fahasoavan’Andriamanitra. Tsy ny mpino rehetra no afaka hitory ny Filazantsara, nefa ny mpino rehetra dia afaka mivavaka ho an’ny fanahy mila famonjena, ary ho an’ireo izay mitory ny vaovao mahafaly. Ny rehetra dia afaka mitarika ny olona hanatrika ny fivoriana hitoriana ny filazantsara. Ny rehetra dia tokony ho afaka hijoro ho vavolombelon’i Kristy Mpamonjy ary hizara boky fitoriana ny filazantsara. Tsy maninona izay fanomezam-pahasoavana ananan’ny tsirairay, na izay katsahiny; ny tsirairay dia tokony hamboly ao anatiny ny faniriana miredareda ny amin’ny famonjena ny fanahy, ary tokony hanao izany.

Raha misy fiangonana na mpino faly fotsiny mijery ny herinandro, ny volana, ny taona mandalo, fa tsy miezaka na kely akory aza mba hitory ny filazantsara, ary tsy nahita fiovam-po na dia iray akory aza, dia azo antoka fa ambany dia ambany ny toetrany. Ankilany anefa, raha misy fiangonana iray namporisihina hahery mivavaka ho an’ny Filazantsara sy ny famonjena fanahy, dia misy famelombeloman-tsaina sy zoto ho an’ny fanahy ary fitahiana tsy tambo isaina no setrin’izany. Ny olona tsirairay vao niova fo, tena nateraka indray, dia loharanom-pifaliana vaovao ary mitondra fanavaozam-piainana ao amin’ny fiangonana. Raha toa tsy misy ezaka atao ho an’ny Filazantsara ka tsy misy olona niova fo na iray aza, dia ny tsy firaharahiana sy ny sorisory no hita eo amin’ny mpino ary, raha tsy avoaka eny ivelany ny fahazavan’ny Filazantsara, dia tsy afaka afa-tsy ny hanantena fa ho faty ilay jiro.

Page 43:  · Web viewTOKO 3 Ny fiangonana : Ny fisehoany isan-toerana 3.1 Ny fototry ny fivoriana araka ny Soratra Masina

82 Ny fahefana avy amin’Andriamanitra

Fomba fitoriana ny Filazantsara

Mila mianatra ny Soratra Masina isika, mijery ny fomba nitorian’ireo apostoly, ary manaraka azy ireo, toy izay haka tahaka ny fomba fitoriana misy ankehitriny, izay manindry ny mahatalanjona sy manaitra. Tsy tokony araka ny fomban’izao tontolo izao no hitadiavantsika hanaovana ny asan’ny Tompo. Ny ilaintsika bebe kokoa dia ny asan’Andriamanitra, fa tsy ny asan’olombelona. Tokony ho tena henika ny fahamatoran’ny fitiavan’i Kristy, izay manosika ny fanahy hiavana amin’Andriamanitra, ny fitoriana ny filazantsara. Aoka isika hitoky amin’ny herin’ny Fanahy Masina mba hampita ny hafatra ary mba hanosika ireo izay tsy mbola niova fo “mba hibebaka sy hino ny Filazantsara”. Aoka tsy ho adinontsika ny mitory ny fibebahana, ny fahaverezana sy ny tsy-fahombiazan’ny olombelona, ary ny fanafody ampy tanteraka sy hany tokana omen’Andriamanitra ao amin’ny Filazantsaran’ny fahasoavany ao amin’i Kristy Jesoa.

Mba hahazoana vokatra maharitra, dia tokony ho tadidiantsika ity andininy ity: “Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin’ny Fanahiko, hoy Jehovah Tompon’ny maro” (Zakaria 4.6). Aoka atao an-tsaina koa ny ao amin’ny Jakoba 5.7,8 hoe: “Indro, ny mpiasa tany miandry ny voka-tsoa amin’ny tany ka maharitra amin’izany mandra-pahazony ny ranonorana aloha sy aoriana. Mahareta koa ianareo, mampahereza ny fonareo, fa efa mby akaiky ny fihavian’ny Tompo”. Ny fahatongavany no hitondra ilay andro lehibe hijinjana ary hampisehoana ny vokatry ny asa rehetra natao ho Azy sy ho famonjena ireo fanahy izay tena sarobidy tokoa. Eo am-piandrasana izany, dia aoka isika hamafy ny voa tsaran’ny Filazantsara ao am-pon’ny tanora sy ny antitra. Aoka isika hiandry am-paharetana mba hitombo ny voa, ary aoka tsy ho adinoina fa ny tena fiovam-po marina iray dia tsara kokoa noho ny fibebahana zato an-tendro-molotra azo tamin’ny fampiasana fitaovana nataon’olombelona, tsy misy ny fanatrehana sy ny herin’ny Fanahy Masina.

Azontsika ampiana eto fa ny evanjelista na izay miasa ho an’ny Filazantsara dia tokony avela halalaka momba ny fandrindrana sy ny fomba hanaovany ny asany, satria ny herin’ny finoany manokana no entiny mandeha ary ny fototra ijoroany dia ny andraikiny manokana manoloana an’i Kristy irery ihany. “Amin’ny tompony ihany no ijoroany na ahalavoany” (Romana 14.4). Tsy tokony hitsara ny mpanompon’ny hafa izany isika. Tsy tokony ho voagejan’ny fifehezana sasantsasany na lalàna izy, na tsy avela hiasa noho ireo olona tery saina, izay mahita holazaina foana momba ny zavatra tsy mifanaraka amin’ny eritreriny. Ireo izay miasa ho an’ny Filazantsara dia tsy tokony hianona amin’ny fitsipika voafaritra na ny fomba fiasa izay eritreretina fa mendrika ho an’ny fivoriana fanompoam-pivavahana ao amin’ny fiangonana.

Ny evanjelista manana fo malalaka dia afaka hahatsiaro tena ho afaka, eo anoloan’ny Tompony sy Mpampianatra azy, hanao zavatra betsaka izay tsy ho eken’ny saina sy ny eritreritr’ireo olona sasantsasany ao amin’ny fiangonana . Afaka hanana fomba fiteny na fomba fiasa tsy manana ny toerany ao amin’ny fivorian’ny fiangonana izy. Nefa, raha tsy mandika ny fampianaran’ny Soratra Masina izy, dia tsy manan-jo hanakana na hanameloka azy isika. Satria fanompoan’olon-tokana io, dia tokony avela hiasa malalaka araka ny heviny izy ary andraikiny manokana eo anoloan’ny Tompo izany16. Tsy andraikitry ny fiangonana izay fomba manokana hanatanterahany ny asany ho an’ny Tompo. “Koa samy hampamoahin’Andriamanitra ny amin’ny tenany avy isika rehetra”17(Romana 14.12).

Nananatra antsika toy izao ny Tompo hoe: “Mandehana any amin’izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra” (Marka 16.15), nefa tsy nametra ny fandaminana na ny fomba anaovana izany Izy. Navelany ho an’ny mpanompony izany, eo ambany fitarihin’ny Fanahy Masina arakaraky ny vaninandro sy ny tranga misy, izay tsy mitovy araka ny riba sy ny zava-misy eo amin’ny firenena. Hoy ny apostoly Paoly: “Efa tonga zavatra rehetra aho amin’ny olona rehetra, mba hamonjeko ny sasany, na iza na iza” (1 Korintiana 9.22). “Ary ny hendry dia mahataona olona” (Ohabolana 11.30).

Ny sekoly alahady

Hoy ny Tompo Jesoa: “Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza rarana; fa an’ny toa azy ny fanjakan’Andriamanitra”. Indray mandeha, “Niantso zazakely anankiray hankeo aminy (Izy), dia nametraka azy teo afovoany ka nanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha tsy miova ianareo 16Marihina fa ny mpanoratra dia tsy miresaka afa-tsy ny asa manokana ataon’ny evanjelista eo amin’izao tontolo izao, fa tsy ao amin’ny fiangonana, izay tompon’andraikitra foana amin’ny teny toriana eo aminy. (1 Korintiana 14.21). Ankoatr’izany, amin’ny maha-mpino ny evanjelista, dia tompon’andraikitra amin’ny fitondran-tenany izy eo imason’ny fiangonana. Fanamarihin’ny mpandika.17Jereo “Papers on Evangelization”, C.H.Mackintosh, pejy 64-65.

Page 44:  · Web viewTOKO 3 Ny fiangonana : Ny fisehoany isan-toerana 3.1 Ny fototry ny fivoriana araka ny Soratra Masina

83 Ny fahefana avy amin’Andriamanitra

ka ho tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo…Ary na zovy na zovy no handray zazakely anankiray tahaka itony noho ny Anarako, dia mandray Ahy… Mitandrema, fandrao manao tsinontsinona na dia ny iray aza amin’ireny madinika ireny ianareo” (Marka 10.14; Matio 18.2,3,5,10). Noho izany, tsy tokony ho adinoina ny zaza eto amintsika amin’ireo ezaka hitoriana ny filazantsara.

Ny ankizy no saha tena mahavokatra indrindra ho an’ny filazantsara, satria ny fony dia mbola be fitia sy vonona ny hiaina ny antso avy any an-danitra ataon’i Kristy amin’ny alalan’ny Teniny. Tsy mbola nohamafisin’ny ota izy ireo ary mandalo ilay vanim-potoana eo amin’ny fiainana izay mbola azo hamolavolana ny sainy sy hanamboarana ny toetrany ary hanapahina izay momba ny hoaviny. Nisy manam-pahaizana iray momba ny toetra niteny hoe: “Mahalana dia mahalana raha hiova amin’ny fahazarany ny olombelona rehefa tonga taona”. Ary eritreretina fa olona iray ao anatin’ny arivo ihany no miova fo aorian’ny faha-roapolo taonany. Nisy fanadihadiana nalefa ho an’ny mpitoriteny 1500, manontany ny taona niovan’izy ireo fo: ny salan’isa tamin’izany dia roa ambin’ny folo taona. Nisy mpitsara tao Brooklyn, any New York, nanambara fa tamin’ireo zazalahy 2700 nandalo teo amin’ny fitsarany, dia tsy nisy na ny iray aza nanaraka sekoly alahady.

Ireo zavatra rehetra ireo dia mampiseho ny lanja sy ny zava-tsoa entin’ny ezaka fitoriana ny filazantsara amin’ny ankizy sy ny tanora. Ny tanjon’ny sekoly alahady dia ny hampianatra ny ankizy ireo fahamarinana sarobidy ao amin’ny Baiboly, ny maha-mpanota ny olombelona, ny famonjena tanteraka ao amin’i Jesoa Kristy, ny làlana sy ny fanompoan’ny kristiana eto amin’ity izao tontolo izao ity. Tsy ireo zavatra ireo ihany no tokony hampianarina azy, fa tokony hitady izay ahazoana ny fony ho an’i Kristy ary hivavaka mba hiovany fo.

Ndeha ho tanisaintsika momba izany ny taratasy, efa ela, nosoratan’ilay mpanompon’Andriamanitra fanta-daza, dia i C.H.Mackintosh :

“Ry rahalahy malala,“Mankasitraka tanteraka izahay noho ny nanombohana ny sekoly alahady, ary heverinay fa

tena tombontsoa manokana ho anay ny fahafahana mamaly ny fangatahanao torohevitra momba ny fomba fitondrana izany.

“Arakaraka ny handrosoanay no hanisianay vidiny ny asa masina atao ho an’ny sekoly alahady. Heverinay fa tena ilaina sy mahafaly tokoa izany; ary heverinay fa izay fiangonan’ny mpino mivory amin’ny anaran’i Jesoa Kristy dia tokony hamporisika ny asa toy izany amin’ny fanohanana sy ny fitrotroana am-bavaka.

“Malahelo izahay raha milaza fa misy ny tena marisarisa amin’izany, ary misy aza no tena manohitra tanteraka izany asa izany. Heveriny fa fisalovanana ny asan’ireo ray aman-dreny kristiana izay tokony hanabe ny zanany amin’ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo izany (Efesiana 6.4). Manaiky izahay fa fanoherana matotra izany, raha mitombina; nefa tsy izany no zava-misy, satria ny sekoly alahady dia tsy mikatsaka ny hanolo ny fampianarana sy ny fitaizan’ny ray aman-dreny, fa kosa hanampy hanatanterahana io asa io ary hisolo toerana raha tsy misy io. An’arivony ireo ankizy malala miriorio eny an-dalambe sy eny an-tany malalaka amin’ireo tanan-dehibe eto amintsika, izay tsy manan-dray aman-dreny, na koa izay manana ihany nefa tsy afaka mampianatra azy ireo mihitsy, na tsy vonona hanao izany. Ireo no tena banjinin’ny mpampianatra sekoly alahady amim-pitiavana. Marina fa mety ho faly izy mahita karazan’ankizy mipetraka eo anoloany; nefa ireo izay tena tiany ho tratra dia ireo izay ratsy fitafy, tsy voakarakara, voailika.

“Tsy misy afaka hilaza hoe aiza na rahoviana no ahitana ny vokatry ny asan’ny mpampianatra sekoly alahady. Mety ho eny amin’ny fasika mavaivay any Afrika, na any amin’ireo sahan-dranomandry any avaratra; na any anaty ala mikitroka, na eny ambony onjan-dranomasina; angamba ho amin’izao fotoana izao, na taona maro aorian’ny fahalasanan’ilay mpanompon’Andriamanitra ho any amin’ny fitsaharana mandrakizay. Nefa na aiza na aiza toerana, na inona na inona fotoana, dia tsy maintsy hisy ny vokatra, rehefa nafafy tamin’ny finoana ny voa, ary voatondraka vavaka.

“Ilay zaza nanaraka sekoly alahady dia ho lasa tanora, ary angamba ho lehilahy ratsy fitondrantena; toa hoe adinony avokoa izay rehetra tsara, masina sy marina, nofafany tao an-tsainy, amin’ireo fahotana ataony, izay mety ho zavatra masina. Nefa, na izany aza, hisy andininy soa avy amin’ny Soratra Masina, na hira mahafinaritra, tavela any anaty fitadidiany any, ary voatototr’ireo fahadalana sy zava-betaveta niainana. Ary angamba hiverina ao an-tsainy io andininy na io hira io amin’ny fotoana hananany fitsaharana, na angamba eo am-bavahoanan’ny fahafatesana, ary hampiasain’ny Fanahy Masina ireo hanaitra azy sy hamonjena ny fanahiny. Iza no afaka handrefy ny hasarobidin’ny fitarihana ny saina raha mbola tanora, madio ary azo amboarina izy, ary ny fiezahana hampita ny zavatry ny lanitra ao aminy ?

“Nefa hisy angamba hametraka izao fanontaniana izao aminay: “Aiza, ao amin’ny Soratra Masina, no ahitana fanamarinana ny asa manokana ataon’ny mpampianatra sekoly alahady?” Ny valinteninay dia ny hoe: fomba iray hitoriana ny Filazantsara amin’ireo mbola tsy niova fo io na

Page 45:  · Web viewTOKO 3 Ny fiangonana : Ny fisehoany isan-toerana 3.1 Ny fototry ny fivoriana araka ny Soratra Masina

84 Ny fahefana avy amin’Andriamanitra

famelabelarana ny Soratra Masina ho an’ireo zanak’Andriamanitra. Raha tena zohina, ny sekoly alahady dia lafiny iray tena mahaliana tokoa amin’ny fitoriana ny Filazantsara ary, mbola mila holazaina indray ve, fa manana fahefana hanao izany isika ao amin'ny soratra ao amin’ny Testamenta Vaovao .

“Nefa indrisy, be loatra amintsika ireo tsy te-hanompo ny Filazantsara, na amin’ny fomba inona na amin’ny fomba inona, amin’ireo tanora sy ireo izay efa nahazo taona, ary tsy vitan’ny hoe hamaivaniny fotsiny izany, fa mbola henjehiny koa ireo izay mitady hanao izany asa voatahy izany. Ary indraindray, satria ireo olona manakiana ny sekoly alahady sy ny fitoriana ny Filazantsara mitohy dia toa olona manan-tsaina, vao mainka hanan-danja kokoa ny teniny eo anoloan’ireo tanora kristiana.

“Nefa ho anao, ry rahalahy malala, dia hoy izahay: Tsy misy tokony hahakivy anao amin’ny asa efa natombokao. Asa tsara io, tohizo na be aza ny mpanohitra. Efa nilazana isika fa tokony ho vonona amin’ny asa soa rehetra ary tsy ho ketraka amin’ny fanaovan-tsoa, satria amin’ny fotoan’andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika (Galatiana 6.9).

“Ary izao koa, misy teny iray momba ny fitondrana ny sekoly alahady. Tsy azo adinoina fa fanompoan’olon-tokana io, izay tsy maintsy atao amin’ny fahatsapana tsara ny andraikitrao manokana eo anoloan’ny Tompo. Tsy iadian-kevitra fa manan-danja tokoa ny fiarahanao miombona eo amin’ny asanao amin’ireo rehetra miara-miasa aminao sy amin’ireo rahalahinao rehetra; nefa ny asan’izay mampianatra ao amin’ny sekoly alahady dia tokony ho tontosaina amin’ny fahatsapana lalandava fa andraikitrao manokana sy mivantana eo anoloan’ny Tompo io, ary araka ny fatran’ny fahasoavana nomeny anao. Satria fanompoan’olon-tokana io, diatsy antoky ny fiangonana ary tsy asany, toy ny fitoriana teny ny alahady hariva, ny fivoriana any an-tranon’olona, ny firesadresahana na ny fampianarana ny Baiboly. Nefa, azo antoka koa, fa raha tsara ny toetra ara-panahy ao amin’ny fiangonana, dia hiombona tanteraka amin’ny sekoly alahady izy, ary amin’izay rehetra mety ataon’olon-tokana ho an’ny Tompo ary miankina Aminy.

“Ho hitanao, raha tsy diso aho, fa mba hahazoana voka-tsoa ao amin’ny sekoly alahady, dia tsy maintsy misy mpitarika tsara: olona manana hery, fahefana ary tia filaminana. Maro ireo sekoly alahady hitanay rava satria tsy voatantana araka ny tokony ho izy. Ny sasany mandray io asa io amin’ny fotoana voafetra ihany, ary dia avelany avy eo. Tsy mety ny toy izany. Ny mpitarika, ny mpampianatra ary ireo manao fitsidihana an-trano, dia samy tokony hirotsaka amin’io asa feno fitahiana io, tsy tsindraindray, fa amin’ny fanapahan-kevitra milamina sy ny hery ara-panahy. Ary rehefa nanomboka izy, dia tokony ho tohizany amin’ny fo mifantoka tokoa. Tsy handeha io zavatra io raha mandao ny sekoliny ny mpitarika na mandao ny kilasiny ny mpampianatra, kanefa tsy misy antony manokana, fa hoe avela eo amin’ny Tompo. Mihevitra izahay fa takian’ny Tompo ny handraisan’izy ireo ny toerany, na ny mitady izay olona mety hanolo azy raha marary izy na misy zavatra tsy azo ialàna.

“Manan-danja lehibe tokoa ny fahatsapana fa izay zavatra rehetra mikasika ny sekoly alahady dia tokony atao sy hikirizana amin’ny fahavelombelona, amin’ny hery, zoto ary fanoloran-tena tanteraka. Ary satria izany rehetra izany dia tsy maintsy avy amin’ilay Tahirin-karena sarobidy ao amin’Andriamanitra, ireo rehetra izay mirotsaka amin’io fanompoana io dia tokony hivory hivavaka sy hifandinika. Tsy misy mampalahelo toy ny mahita sekoly alahady rava fotsiny satria tsy ampy fahavitrihana sy fikirizana ireo izay nanorina azy. Marina fa be ny vato misakana; ary ny asa mihitsy no mafy sy mahakivy. Nefa, raha toa ka manan-danja kely ihany ny teninay, dia avy ao am-po no hilazanay amin’ireo rehetra nirotsaka ho amin’io fanompoana sarobidy io hoe: Aza avela hisy zavatra hamono ny hafanam-ponareo, na hanakana ny asanareo. Mirosoa foana hatrany! Ary enga anie ny Tompon’ny vokatra hanome valisoa ny asanareo amin’ny fitahiana feno harena sy lehibe indrindra.

“Tsy mila ho lazaina intsony fa tsy ao an-tsainay mihitsy ny hoe olona mbola tsy niova fo no handray anjara amin’ny asan’ny sekoly alahady. Marina tokoa fa tsy misy zavatra mampalahelo toy ny mahita olona mampianatra ny sasany izay tsy azony hiainana sy zaraina akory. Marina koa fa tsy refesi-mandidy Andriamanitra, ary azony ampiasaina ny Teniny, ary ataony izany, na dia amin’ireo molotry ny olona tsy mbola niova fo aza. Nefa tsy mampiova ny toerana mampalahelo misy ilay olona ampiasaina toy izany akory io. Tsy afaka hisaintsaina mihitsy isika, na indray mipi-maso aza, ny hanaiky na hanasa olona handray anjara amin’ny sekoly alahady, raha tsy efa voaporofo tamintsika tsara ny fiovam-pony. Raha manao izany isika, dia mamporisika azy ho amin’ny fahadisoana mahafaty azy”. (C.H.Mackintosh).

Ho famaranana, dia aoka ho marihina fa ny toerana hanaovana ny sekoly alahady dia tsy ao amin'ny trano fiangonana ihany, fa amin'izay toerana samihafa azo hanaovana azy. Misy ireo fihaonan’ny ankizy azo atao tsara ary ahitam-bokatra mandritra ny herinandro, any amin’ny tokantranon’olona, izay toerana rehetra hisian’ny varavarana mivoha. Ny fivoriana isan’andro manodidina ny Baiboly mandritra ny fotoam-pialan-tsasatra lehibe dia nahitam-boka-tsoa hampitana ny Filazantsara ho amin’ny ankizy ary hampianarana azy ireo ny Tenin’Andriamanitra. Ny asa ho

Page 46:  · Web viewTOKO 3 Ny fiangonana : Ny fisehoany isan-toerana 3.1 Ny fototry ny fivoriana araka ny Soratra Masina

85 Ny fahefana avy amin’Andriamanitra

an’ny ankizy amin’ny fampianarana Baiboly koa dia fitahiana lehibe ho an’ny tanora. Enga anie ny Tompo hampitsangana mpiasa mahay sy mazoto hampianatra ny tanora ary hitondra azy ireo ho eo amin’i Kristy.