Transcript
Page 1: Hafatry ny Mpiandraikitra Foibe - fjkm.saint.denis.free.frfjkm.saint.denis.free.fr/_dossiers/mpiandraikitra.pdf · Amin’ny maha olom-pirenena anao dia raiso ny andraikitra, mandehana

HAFATRY NY MPIANDRAIKITRA FOIBE

Nivory tao Vohipiraisana Antananarivo 04-11 Oktobra 2006

“Mandehana raha mbola manana ny mazava ianareo” (Jao. 12:35b)

Ry havana, Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy

Tompontsika ary ny herin’ny Fanahy Masina. Isaorana anie Andriamanitra Tompon’ny asa fa tanteraka soa aman-tsara ny fivorian’ny Mpiandraikitra

Foibe MF 05/SL XV, fivoriana faharoa sady farany tamin’ity taona 2006 ity. Fisaorana eram-po tokoa no atolotra ireo Fiangonana sy Sampana naneho indray ny fiombonantsika aina ka nanohana tamin’ny fanatanterahana izany fivoriana izany. Sehatra telo hatrany moa no nitsinjarana ireo tatitra sy lahadinika nodinihana dia ny lafiny fampandrosoana ny Fiangonana sy ny Sekoly ary ny fitantanana ny Mpiasa sy ny vola. Isaorana ny Tompo noho ny fihatsaran’ny fiainam-piangonana eo amin’ireo lafiny telo ireo, ka nahafahantsika naneho fa Fiangonana manana ny mazava tokoa isika. Mahabe fanantenana araka izany ny hafanam-pon’ny Fiangonana amin’ny hetsika Jesoa Kristy ho an’I Madagasikara (JKM). Mampahery ny Synodamparitany sy ny isam-piangonana àry handray anjara feno amin’ny hetsika rehetra mandritra ny taona 2007 sy 2008, ka hamolavola ny lamin’asa sy ny tetibola ho amin’izany, indrindra moa fa efa vita izao ny boky “JKM”, izay anaingana ny hananan’ny kristiana tsirairay izany. Ho fanatsarana hatrany ny fomba fiasa dia tapaka teto amin’ity fivoriana ity ny lasitry ny tatitra manomboka izao. Mampisaotra an’Andriamanitra ny fitohizan’ny ezaka fanatsarana ny fiainan’ny Sekoly, izay mivoatra ho amin’ny tsara hatrany amin’ny ankapobeny, ka anisan’izany ny nahavitana ny fampiofanana talen-tsekoly ambaratonga I miisa 350. Miroso hatrany amin’ny fihatsarana ihany koa ny fiainan’ny Fiangonana, amin’ny lafiny fitantanana. Ny kendrena amin’izany moa dia ny fitantanana manara-penitra ijoroan’ny isan’ambaratonga ho vavolombelona. Tsapa tokoa ny ezaka avy avy amin’ireo Fitandremana sy Synodamparitany ho amin’ny fiombonana. Nihamaro isa ireo nahatontosa ny adidiny ary dia tolorana ny fankasitrahana izy ireo. Ampaherezina koasa ireo tsy mbola nahavita mba hanohy hatrany ny ezaka. Tsarovy am-bavaka ry havana, ny fanomanana sy ny fanatanterahana ny fanavaozana ny tompon’andraikitra isan’ambaratonga eto amin’ny sahan’ny FJKM amin’ny taona 2007. Aza adino ihany koa ny mitondra am-bavaka ny Synoda lehibe manaraka, SL XVI, izay tapaka fa hontanterahana any Mahajanga amin’ny volana Aogositra 2008, ka ny teny faneva amin’izany dia hoe:” Ny marina amin’ny finoana no ho velona.” Romana 1:17. Ao anatin’izany rehetra izany dia tsaroana etoana ny tenin’ny Apostoly Paoly manao hoe:”Fa tsy nomen’Andriamanitra fanahy osa isika fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena. Koa aza menatra ho vavolombelon’ny Tompontsika.” Ny tanjaka sy ny hery amin’ny maha Fiangonana antsika dia ho tanjaka sy hery ho an’ny fiaraha-monina sy ho an’ny firenena koa. Manoloana ny fifidianana izay ho filoham-pirenena, samia isika Fiangonana mijoro hatrany ho fanilo, ka tsy hitsahatra mivavaka, mba hahatanteraka ny Tenin’ny Soratra Masina hoe: “Koa mananatra voalohany indrindra aho mba hatao izay fangatahana, fifonana, fisaoran ho an’ny olona rehetra, ho an’ny mpanjaka mbamin’izay rehetra manana fahefana, mba hiainantsika miadana sy mandry fahizay amin’ny toem-panahy araka an’Andriamanitra sy ny fahamaontinana rehetra.” (I Tim. 2:1-2). Amin’ny maha olom-pirenena anao dia raiso ny andraikitra, mandehana raha mbola manana ny Zo sy hery hifidy. Koa dia mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny faherezana rehetra. Ho voninahitr’ilay efa niantso antsika.

AMIN’NY ANARAN’NY MPIANDRAIKITRA FOIBE NY FILOHA

RASENDRAHASINA LALA, MPITANDRINA

1

Recommended