Transcript
Page 1: Lesona 9 ho an'ny 28 Febroary 2015. “Inona no marina?” (Jaona 18:38). Nanoratra momba ny fahamarinana sy ny fahitsiana i Solomona ao amin'ny Ohabolana

NY TENIN'NY FAHAMARINANA

Lesona 9 ho an'ny 28 Febroary 2015

Page 2: Lesona 9 ho an'ny 28 Febroary 2015. “Inona no marina?” (Jaona 18:38). Nanoratra momba ny fahamarinana sy ny fahitsiana i Solomona ao amin'ny Ohabolana

“Inona no marina?” (Jaona 18:38). Nanoratra momba ny fahamarinana sy ny fahitsiana i Solomona ao amin'ny Ohabolana 22-24.

1. Ny marina momban'ny fahamarinana (22:17-21)

2. Ny marina momban'ny fahamarinana avy any ambony

(22:22-23; 23:10-11, 18)3. Ny marina momban'ny fialonana

(23:17; 24:1-2, 19-20)4. Ny marina momba ny fihinana sy ny fisotro

(23:1-8; 29-35)5. Ny marina momban'ny andraikitra

(24:11-12, 23-28)

Page 3: Lesona 9 ho an'ny 28 Febroary 2015. “Inona no marina?” (Jaona 18:38). Nanoratra momba ny fahamarinana sy ny fahitsiana i Solomona ao amin'ny Ohabolana

FA H A M A R I N A N A “Atongilano ny sofinao, ka henoy ny tenin’ ny hendry, ary ampitandremo ny fahalalako ny fonao… Mba hampahafantariko ny fahamarinan’ ny teny mahatoky hianao…” (Ohabolana 22:17, 21)Mihoatra noho ny fahalalana ny fahamarinana. Fanandramana izay manova ny fiainan'ny olona izany. Fifandraisana ety amin'ny Fahamarinana, dia tsy inona izany fa amin'i Jesosy Kristy (Jaona14:6).

1. Manongilan-tsofina sy mihaino.“Atongilano ny sofinao ka henoy” (22:17).

2. Raiso ho anao.“Raha voatahirinao ao an-kibonao izany” (22:18).

3. Resaho ny aminy.“Aoka samy ho eo amin’ ny molotrao” (22:18).Inona ireo vokatry ny fahamarinana?

1. Finoana sy fahatokiana.“Mba hitokianao amin’ i Jehovah” (22:19).

2. Fandresen-dahatra.“ny fahamarinan’ ny teny mahatoky” (22:21).

3. Mizara izany.“Sy hahazoanao teny holazaina” (22:21).

Ahoana no ahazoako ny fahamarinana?

Ny marina momba ny…

Page 4: Lesona 9 ho an'ny 28 Febroary 2015. “Inona no marina?” (Jaona 18:38). Nanoratra momba ny fahamarinana sy ny fahitsiana i Solomona ao amin'ny Ohabolana

FAHAMARINANA AVY ANY AMBONY“Aza manosihosy ny malahelo,

saingy malahelo izy; ary aza dia manifakifaka ny ory eo am-

bavahady.” (Ohabolana 22:22)

“Aza manakisaka ny fari-tany ela, ary aza manitatra

mankamin’ny sahan’ ny kamboty.” (Ohabolana 23:10)

Ny halatra sy ny famindrana fari-tany dia voararan'ny Lalàna (Levitikosy 19:13; Deotoronomia 19:14). Fa mbola marihin'Andriamanitra ny asa ratsy atao amin'ny malahelo sy ny kamboty (izany hoe, ireo izay marefo kokoa noho isika).

“Fa raha mbola hisy koa ny farany, dia tsy ho

foana ny fanantenanao,” (23:18) ary

Andriamanitra hanome rariny.

Ny marina momba ny…

“Fa mahery ny Mpanavotra azy, Izy no hisolo vava azy amin’ ny adiny aminao.”

(Ohabolana 23:11)

“Fa Jehovah anie ka hisolo vava azy amin’ ny adiny. Ary hanimba

ny ain’ izay manimba azy.” (Ohabolana 22:23)

Page 5: Lesona 9 ho an'ny 28 Febroary 2015. “Inona no marina?” (Jaona 18:38). Nanoratra momba ny fahamarinana sy ny fahitsiana i Solomona ao amin'ny Ohabolana

F I A L O N A N A“Aoka tsy hialona ny mpanota ny fonao; fa matahora an’ i Jehovah mandritra ny andro.” (Ohabolana 23:17)

“Aza mialona ny olona ratsy fanahy, na maniry ho namany.” (Ohabolana 24:1)

“Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin’ ny mpanao ratsy, ary aza mialona ny ratsy fanahy.” (Ohabolana 24:19)

Inona no mety hialonantsika ny mpanota?Mazava tsara fa tsy mialona ny fahotany isika. Mialona ny valisoa haingana azon'izy ireo isika: harena, fahombiazana, fahefana…Ny fahazoana ireo zavatra ireo avy amin'ny fahotana dia tsy tsara mihintsy. Mampiasa ny ota mba ahazoana zavatra dia toy ny mividy zavona raha tokony ho fiainana mandrakizay.Irian'Andriamanitra raha mankahala ota isika. Tokony ho fantatsika ny sandan'ny fahotana: ny hazo fijaliana. Amin'izay isika dia hankasitraka bebe kokoa ny valisoa ho avy noho ny tombotsoa azo haingana. Mandosira ny fahotana toy ny fandositra menarana!

Ny marina momba ny…

Page 6: Lesona 9 ho an'ny 28 Febroary 2015. “Inona no marina?” (Jaona 18:38). Nanoratra momba ny fahamarinana sy ny fahitsiana i Solomona ao amin'ny Ohabolana

“Na oviana na oviana ny Kristiana no tsara fanahy, mamindra-fo, ary

mamela heloka dia tsy hanana faniriana hiray amin'ny ota

mihintsy izy. Harikoriko azy ny ratsy ary hirona ho amin'izay tsara

izy, amin'ny fahafoizana ny fikambanana na fisakaizana

amin'ny ratsy fanahy. Ny Fanahin'i Kristy dia hitarika antsika

hankahala ny ota, rehefa manao ny fanoloran-tena rehetra

hamonjena ny mpanota isika.”

E.G.W. (Testimonies for the Church, boky. 5, toko. 16, pj. 171)

Page 7: Lesona 9 ho an'ny 28 Febroary 2015. “Inona no marina?” (Jaona 18:38). Nanoratra momba ny fahamarinana sy ny fahitsiana i Solomona ao amin'ny Ohabolana

“Raha mipetraka hiara-komana amin’ ny mpanapaka hianao, dia hevero tsara izay eo anatrehanao, ka andraso antsy ny tendanao, raha dia liana loatra hianao.

Aza mitsiriritra ny hanim-piny, fa hani-mamitaka izany…

Aza homana ny mofon’ izay ratsy fijery, ary aza mitsiriritra ny hanim-piny. Fa tahaka ny heviny ao am-pony ihany no toetrany.

Hoy izy aminao: Mihinàna, misotroa; kanjo tsy sitrany hianao.

Izay sombiny kely voatelinao aza dia mbola haloanao, ka ho very foana ny teny mahafinaritra nataonao.”(Ohabolana 23:1-3, 6-8)

Mazava toy ny vato krystaly ny tenin'i Solomona: mihinanà ara-pahasalamana ary fehezo ny fahaliananao (indrindra amin'ny fiaraha-misakafo amin'ny hafa). Ny "olona mahihitra loatra" dia tsy mampiseho ny teti-dratsiny raha tsy vita ny "fiaraha-misakafo ny mpandraharaha", rehefa dontodonto ny sakafo mavesatra iny ny saina.

Ny marina momba ny…

Page 8: Lesona 9 ho an'ny 28 Febroary 2015. “Inona no marina?” (Jaona 18:38). Nanoratra momba ny fahamarinana sy ny fahitsiana i Solomona ao amin'ny Ohabolana

“An’iza ny Indrisy? An’iza ny Endrey? An’iza ny fifandirana? An’iza ny fitolokoana? An’iza ny ratra tsy ahoan-tsy ahoana? An’iza ny maso mivoara-mena? An’izay mikikitra amin’ ny divay, eny, an’ izay mandeha hanandrana divay voaharoharo zavatra. Aza mijery ny divay noho ny hamenany sy ny fanganohanony eo anaty gilasy ary ny fikoriany mahafinaritra; fa amin’ ny farany dia hanaikitra toy ny bibilava izy ary hanindrona toy ny menarana. Koa ny masonao hahita zavatra hafahafa, ary ny fonao hirediredy foana . Eny, ho sahala amin’ izay mandry ao amin’ ny ranomasina hianao sady ho tahaka izay mandry eo an-tendron’ ny andrin-tsambo. Nokapohiny aho, hoy hianao, fa tsy reko naharary ahy, nandalasiny aho, fa tsy tsaroako; rahoviana ange aho no hifoha mba hitadiavako azy indray?’” (Ohabolana 23:29-35)

Tsy noheverin'i Noa velively ny henatra ho tsapany rehefa avy nanamboatra toaka izy.Ireo izay tafalatsaka amin'ny hamamoana dia tsy tonga vetivety ho azy tao amin'izany lavaka tsy misy farany izany. Ny toaka dia nanomboka nifehy azy ireo tsikelikely. Efa tara loatra vao tonga saina izy ireo fa hay voageja izy. Mandrotika ny olona sy ny ankohonana ny toaka. Esory tsy ho eo amin'ny fiainanao izy.

Ny marina momba ny…

Page 9: Lesona 9 ho an'ny 28 Febroary 2015. “Inona no marina?” (Jaona 18:38). Nanoratra momba ny fahamarinana sy ny fahitsiana i Solomona ao amin'ny Ohabolana

FANDRAISANA ANDRAIKITRA“Vonjeo izay entina hovonoina, ary enga anie ka mba harovanao izay mangozohozo efa ho mby eo am-pamonoana ! Raha hoy ianao : Tsia, tsy mahalala izany izahay, moa Izay mandanja ny fo tsy hihevitra izany va ? Ary Izay mandinika ny fanahinao tsy hahalala izany va ? Eny, hovaliany araka ny ataony avy ny olona rehetra?” (Ohabolana 24:11-12)Tsy misy fialan-tsiny azo

atao eo anatrehan'Andriamanitra ny amin'ny tsy famonjena

olona iray amin'ny fahafatesana na ara-nofo na

ara-panahy, kanefa afaka manao izany isika.

Tompon'andraikitra isika na ny amin'ireo teny lazaintsika na ny amin'ireo tsy ambarantsika. (24:23-28).

Tsy maintsy mitatitra am-pahatokiana izay hita sy rentsika isika, amin'izay isika dia tsy ho mpiombon'antoka amin'ny mpanota (amin'izay isika dia afaka mamonjy fanahy).

Ny fahamarinana no fomba miaro sy tsotra indrindra hivelomana ny fiainantsika. Ankasitrahan'Andriamanitra ary tahiany ireo izay miaina amin'ny fahamarinana.

Ny marina momba ny…

“Raha hoy Izaho amin'ny ratsy fanahy : He ! ry ilay ratsy fanahy, ho faty tokoa ianao ! nefa tsy mety

mananatra azy ianao hiala amin'ny alehany, dia ho fatin'ny helony ihany izany ratsy fanahy izany, fa ny

ràny dia hadiniko amin'ny tananao. Fa raha mananatra ny ratsy fanahy ihany kosa ianao hiala

amin'ny lalany ratsy; fa izy no tsy mety miala amin'izany, dia ho fatin'ny helony ihany izy, nefa

voavonjinao ny ainao.” (Ezekiela 33:8)


Recommended