Mivoaka in-droa isan-taona Septembre 2013 TAONA FAHA VI, N° 1
Mouvement Salésien des Jeunes À Madagascar
ETRENNE
Page 2 Namako
An-kafaliana indray no hiarabana antsika tanoran’ny
Mouvement Salésiens des Jeunes Madagascar
(MSJM) rehetra. Tonga eo ampelan-tananao indray
ity ny « Namako », izay Gazety entin’ny tanora
salezianina rehetra mifandray, mifanabe, mifampi-
zara traikefa ary mifampita vaovao. Isaorana ma-
nokana ny tanoran’ny MSJM rehetra izay niara-
nifarimbona tamin’ny fanantontosana Ity Gazety
« Namako » ity. Ampatsiahivina ary isika tanora fa
mamaraparana ny taonan’ny finoana isika amin’izao.
Araka ny fanentanana nataon’ny Papa Ray Masina
dia hifarana ny 24 novambra 2013 ny taonan’ny
finoana ka andraikitry ny Diosezy ny manamarika
izany amin’ny fomba maro karazana. Nandritra ity
taonan’ny finoana ity dia nanentana ny Papa mba
hiverina amin’i Jesoa isika; hiaina misimisy kokoa ny
finoana ananantsika: raha tsorina dia tokony
hamantatra- handalina- hiaina- ary hizara izany
finoana ananantsika izany. Namafisina ihany koa
mba ho lasa toetra latsa-paka ato anatintsika ireo
dingana efatra ireo ka na vita aza ny taonan’ny
finoana dia tokony ho tohizintsika foana ny
fandalinana sy ny fiainana ny finoana ananantsika.
Amin’ny maha salezianina antsika dia efa nanoro
làlana iainana izany finoana ananantsika izany i don
Bosco dia ny fiainam-panahy dimy ho an’ny tanora.
Ny fiainam-panahin’ny andavan’andro: ny
mahatsapa fa ao anatiko foana i Jesoa. Ny fiainam-
panahin’ny hafaliana: ilay hafaliana maharitra izay
notovozina tao amin’i Jesoa. Ny fiainam-panahy
velomin’ny fifandraisana am-po amin’i Jesoa:
fahatsapana fa sarobidy ny miresaka sy
mifampizara fiainana amin’i Jesoa. Ny fiainam-
panahin’ny fiombonana amin’ny Fiangonana: ny
mahatsapa fa tamana aho ao anatin’ny Fiangonana
misy ahy. Fiainam-panahin’ny asa fanompoana:
hanompo fa tsy ho tompoina no tarigetra nomen’i
Jesoa atsika. Ireo fiainam-panahy dimy ireo no
tsiambaratelon’ny fahamasinana ho antsika tanora
hoy i don Bosco. Ka izany no anentanan’ny lehiben’ny
Salezianina azy antsika (Mompera Pascal Chavez)
amin’ity taona ity mba ho dinihina sy iainana ary
hifampizarana amin’ireo tanora MSJM namana
rehetra no sady hanomanantsika ihany koa ny
fankalazana ny faha 200 taona ny nahaterahan’ny
Don Bosco.
P. Bruno pjd
TENY FANOKAFANA FIANGONANA
MAHA SALEZIANINA
VAOVAON’NY MSJM
VAOVAOM-PARITRA
KOLON-TSAINA
Mandehana ianareo, aza matahotra; ma-
naova asa fanompoana Page 3
Tononkalo:Masina Maria ô! Omeo ahy Page 3
Fihaonam-ben’ny Ankizy Page 4
Tononkalo: «Mbola zaza aho » Page 4
Fahasalaman’ny zaza Page 4
ETRENNE 201 Page 5
Ho vavolombeloko mantsy ianareo Page 5
JMJ Rio Page 6
Herinandron’ny MSJPage 7
Taridalana pastoraly Page 7
Misionera nanao FY tany ambanivohitra Page 7
Tantaran’ny Olomasina: Victoire RASOA-
MANARIVO Page 9
Mahasao an! Page 9
IPA: olomangan’i Gasikara Page 10
Tononkalo: « Ala-sakana » Page 10
Fantaro fa … Page 10
Hatsikana Page 11
Kilalao Page 11
ZON’NY ANKIZY
Fankalazana ny Faha-20 taonan’ny Oratorio
Fianarantsoa Page 8
Vaovao Don Bosco Ijely Page 8
Fitokanana ny tranon’ny Eveka (Ambanja) Page 8
TAONA FAHA VI, N° 1 Page 3
FIANGONANA
Masina maria ô! Omeo ahy
Fo mahay mampiara-dia
Irony halemem-panahy
Sy ny herin’ny fitia
Ireo no fiadiana roa
Teo am-pelatananao
Ka atolory ahy koa
Handreseko toa Anao
Mikael (Mpanabe oratorio FMA) ; Ambanja
Masina Maria ô! Omeo ahy
Fo mitia sy vaovao
Ary hanana fanahy
Mahay mitia toa Anao
Ka hitia ireo manirery
Ireo tsy manana mpijery
Fa natao an-kilabao
Masina maria ô! Omep ahy
Fo manahaka ny anao
Tsy masiaka nefa sahy
Hiaro ireo madinika
Dia ireo Voa sotasota
Sy soparan-dava izao
Ireo lazaina ho manota
Tamin-java-tsy natao
“MA NDEHANA IANAREO, ATAOVY HO MPIANATRO IZAO TONTOLO IZAO”. Io teny io no anam-
baran’I Jesoa amintsika tsirairay avy manao hoe: “Nahafinaritra tokoa ny nandray anjara tamin’ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora; ny niaina ny finoana ni-araka tamin’ireo vazan-tany efatra; ka ankehitriny kosa ianareo dia tsy maintsy andeha hizara izany andram-piainana izany amin’ny hafa”. Miantso anao ho mpitory ny Vaovao Mahafaly I Jesoa! Inona àry no ambaran’izy Tompo amintsika? Inona no Lazainy amintsika? Teny telo ihany: Mandehana ianareo, aza matahotra, manaova asa fanom-poana 1- Mandehana ianareo: Nandritra io fotoana tao Rio io ianareo, dia niaina andram-piainana mahafinaritra tamin’ny fihaonana amin’I Jesoa; Nahatsapa ny hafaliana ao anatin’ny finoana. Izany andram-piainana izany anefa dia tsy tokony hotazominareo ho anareo manokana, na ho an’ny paroasy, na vondrona misy anareo fotsiny ihany. Aoka ho fantatrareo! Fa I Jesoa dia tsy niteny hoe: “ Raha sitrakareo, na, raha mba manana fotoana ianareo”, fa hoy kosa Izy hoe:”Mandehana ianareo, ataovy ho mpianatro ny tany tontolo”. Ny andram-piainan’ny finoana, ny mijoro ho vavolombelon’ny finoana, ny mitory ny Evanjely, ireo no hanirahan’Andriamanitra ny Eglisy ary hanirahany anao koa. Baiko izany, saingy tsy baiko famoretana na tsindry hazo lena fa kosa am-pitiavana, ho fanehoana amintsika fa I Jesoa dia nisafidy ny ho eto anivontsika ary tsy sombin-javatra no nomeny antsika fa ny tenany manontolo. Aiza no hanirahan’I Jesoa antsika? Tsy misy fetrany: maniraka antsika ho amin’ny olon-drehetra Izy. Natao ho an’ny rehetra ny Evanjely. Aza matahotra ny mitondra sy mitory an’I Kristy amin’ny toerana rehetra, hatrany am-paravazan-tany; dia amin’ireo izay lavitra sy anjorony indrin-dra izany. Mitady ny olona rehetra Andriamanitra, tiany hahazo ny hafanan’ny famindram-pony sy ny fitiavany isika rehetra. Mila anareo ny Fiangonana , dia ny hafanam-ponareo, ny fahavitrihanareo ary ny hafaliana izay mampiavaka anareo indrindra. Fantatrareo ve ny fitaovana tsara indrindra entina manampy ny tanora? Tanora ihany! Izay no lalana tokony ho diavinareo. 2- Aza matahotra. Mety misy mihevitra hoe: “Tsy mbola nisy fiomanana manokana nataoko, ka amin’ny fomba aho-ana no ahafahako mandeha mitory ny Evanjely? Ry namako, tsy dia mifanalavitra ny tahotr’I Jeremia io tahotrao io. Ni-antso azy Andriamanitra fa hoy izy: “Indrisy!, Iaveh Tompo ô, tsy mahay miteny aho fa zaza ” Tahaka ny namalian’An-driamanitra an’I Jeremia ihany koa no havaliny amintsika: “Aza manana tahotra akory fa ianao fa momba anao hamonjy anao Aho”(Jer1,7-8). Miaraka amintsika Izy!
“Aza matahotra!” Rehefa mitory an’I Kristy isika dia tadidio fa miara-dalana amintsika foana Izy. Rehefa naniraka ireo mpianany izy dia nanome toky hoe: “Ary indro aho ho eo aminareo mandrakariva” (Mt 28, 20). Ary ho antsika ihany koa izany, satria I Kristy dia tsy mamela ny olona ho irery fa mitantana antsika hatrany. Manaraka izany, I Jesoa dia tsy niteny hoe “Mandehana” fa “Mandehana ianareo”: midika izany fa voahiraka miaraka isika. Ry tanora malala, omeo lanja ao anatin’izany iraka izany ny fisian’ny Eglizy sy ireo fikambanana masina. Rehefa miara-miatrika izany fanamby izany isika dia manana hery lehibe tsy hay vinaniana. Raha niantso ireo Apostoly I Jesoa dia tsy nataony hisaratsaraka fa kosa mba hivondrona ho iray, ankohonana iray. Mitodika manokana aminareo Pretra izay miara-mankalaza amiko izao Eokaristia izao koa ny tenako: Nitantana sy niara-dia tamin’ireo tanora ianareo, mamy éry ny nifampizara izao andram-piainana ao anatin’ny finoana izao! Mino aho fa namerina ny fahatanoranareo tokoa izany. Mamindra fahatanorana tokoa ny tanora. Miangavy anareo aho mba hitantana lalandava ny tanora an-tsitrampo sy an-kafaliana tanteraka; ampio izy ireo mba handray anjara mavitrika ao amin’ny Fiangonana; aoka tsy hahatsiaro tena ho irery izy. 3- Manaova asa fanompoana! Norenesintsika tamin’ny Salamo teo ny hoe: “Hirao hira vao ny Tompo”(S95,1). Inona izany hira vao izany? Sady tsy tonon-kira izany no tsy feony; fa kosa ny hiran’ny fiainanareo, avelao hifanaraka amin’ny fiainan’I Jesoa ny fiainanareo: ho iray fihetsem-po sy fisainana ary asa Aminy. Ary ny fiainan’I Jesoa dia fiainana ho an’ny hafa, natao ho an’ny hafa ny fiainan’I Jesoa. Fiainana ho an’ny fanompoana izany. Ny mitory ny Evanjely, dia midika ho fametrahana laharam-pahamehana ny fijoroana vavolombelona amin’ny fitiavan’Andriamanitra; fihoarana ny fitiavan-tena; ary fanompoana ny hafa tahaka ny nanasan’I Jesoa ny tongotr’ireo mpianany. Teny telo: Mandehana, Aza matahotra, Manaova asa fanompoana. Raha manaraka ireo teny telo ireo ianareo dia hahatsapa tokoa fa ny izay mitory ny vaovao mahafaly dia mandray izany ihany koa, izay mizara ny hafalian’ny finoana dia mandray mialoha ny tena hafaliana. Ry tanora malala rehefa mody any amin’ny misy anareo tsirairay avy any ianareo dia aza matahotra ny halala-tanana amin’I Kristy sy ny hijoro ho vavolombelon’ny Evanjeliny. Ny mitory ny Evanjely dia midika ho fitoriana ny herin’Andriamanitra mba hamongorana ny ratsy sy ny herisetra; mba hamotehana ny fitiavantena, sy ny tsy rariny ary ny alahelo; mba hamoronana tontolo vaovao. Ry tanora malala: Miandry anareo Jesoa Kristy, miandry anareo ny Fiangonana, miandry anareo ny Papa! Masina Maria, ilay renin’I Jesoa sady renintsika anie hitantana anareo amin’ny fahatsorany: “Mandehana ianareo ary ataovy ho mpianatro izao tontolo izao” Amen
Domoina, Ando; Ivato
Page 4 Namako
ZON’NY ANKIZY
Mi aloha ny fihaonam-be ataon’ny vovonan’ny ankizy rehetra eto Madagasikara
ho any Antananarivo amin’ny volana Aogositra 2013 ho avy izao , dia manao
fihaonam-be isaky ny faritra ny vovonan’ny ankizy eto amin’ny Diosezin’i Mahajanga.
Ny 31 Mey ka hatramin’ny 02 Jiona 2013, ny Faritra vikarian’i Mahajanga ville sy
Ambongo dia hihaona any Namakia
Ny 13, 14,15 Jiona 2013 indray ny avy any amin’ny Faritra ny vikarian’ Ikopa hihaona
amin’ny Betsiboka, ka any Maevatanana no hanaovana ny fihaonana .
Ankizy miisa 300 no handeha hamonjy an’io fihaonana any Namakia io, ary Mpanabe
30 eo ho eo no hiara- dia amin’izy ireo any .
Ny loha- hevi-dehibe hiainana mandritran’io fihaonana ao anatin’ny telo andro io dia,
ny hoe: “ANKIZY MINO IRAHINA HITORY NY VAOVAO MAHAFALY “
Ireto avy ireo zavatra hatao amin’izany:
Fiarahana mivavaka ( Raozery, lalan’ny hazofijaliana) , fiaraha- mikorana, milalao,
fifampizarana ny harena sy ny kolontsaina ho an’ny samy ankizy, katesizy izay han-
dalinana bebe kokoa miaraka amin’ny loha- hevitra:”ANKIZY MINO IRAHINA HITORY
NY FAHAMARINANA”
Ny tanjona tiana ho tratrarina ao anatin’izany dia :
Manampy ny ankizy hiaina bebe kokoa ny fifankatiavana sy firaisan-kina, ary
hafaliana amin’izy samy ankizy.
Mampianatra azy ireo hahalala bebe kokoa an’i Jesoa Kristy sy mampafantatra
azy ireo ny anjara toerany eo anivon’ny Fiangonana.
Christine
Coord FMA; Mahajanga
FIHAONAM-BEN’NY ANKIZY?
Fahasalamanan’ny ZAza : Torolalana sy zavatra azo hatao ho an’ny ankizy mora mandeha ràn’orona
Anio kosa dia omena anao, ny tsara ho fantatra mikasika ny ankizy kely no mora mandeha ràn‟orona, “ Epistaxis “ na “ hémorragie
nasale”, no iantsoana io tranga iray io. Misy tokoa ny fepetra tsara raisina isaky ny mandeha rà ny oron‟ny ankizy.
Ho fanajanonana ny rà haingana dia ireto avy ny azo atao:
1) Fadiana ny mampandry azy na ny mampitraka azy
Ny tena mety ? Asaina mipetraka izy ary toerana mangatsitsiaka no hametrahana azy; Vahana ny akanjo ambony raha somary tery;
Asaina miaina amin‟ny vava
Mety mbola tsy nijanona ny rà ao anaty orona na koa mety mbola mikoriana , noho izany dia asaina mitsilany kely ny zaza, satria
hiarovana ny rà mba tsy hitsindrovaka any amin‟ny “pharynx”, tsara ihany mantsy ny manamarika fa miteraka fikorontanana ao
amin‟ny taova fandevonan-kanina ny fitelomana rà be loatra; ka raha ohatra misy rà tafiditra ao am-bava dia tokony harora avy ha-
trany , mety hampaloiloy ihany koa izany , ary ahisina moramora ny orona mba hivoaka ny ambon‟ny vaingan-drà ao anatiny, raha
mbola misy tavela ( rehefa tena tsapa fa mijanona ny fandehanan’ny rà)
2) Terena amin’ny ratsan-tanana roa ny lavak’orona mandritra ny telo minitra eo farafaha keliny
Somary terena amin‟ny ankihy be sy ny fanondro ny orona mandritra ny telo minitra. Raha toa kosa ka vokatry
ny fianjerana no nampandeha rà ny orona dia tsy tokony atao ity fanerena orona ity!
Azo atao ihany ny mametraka „‟glaçon‟‟ nofonosina lamba ka apetaka eo amin‟ilay faritra eo ambany taolan‟ny
orona mihintsy. Fadiana ny mampihinana fanafody “Aspirine” na “ anti- inflammatoire”.
3) Evoka siramamy
Marihina fa rehefa mijanona tsara ny rà vao manao an‟ity fanandramana ity .
Alaina amin‟ny sotro lehibe ny vain‟afo mirehitra tsara, mitsangana sady somary saromana lamba ny faritry ny
loha ka araraka ao anatin‟ilay vain‟afo efa ao anaty sotrobe ny siramamy eran‟ny sotro kely, trohana mafy ny
donak „ilay siramamy; akipy mafy tsara ny maso rehefa manao izany .
Rahoviana no tokony hanantona mpitsabo?
Raha toa ka mbola tsy mijanona mikoriana ny rà aorian‟ny 30 minitra, na koa sady marary loha ihany ilay zaza . Raha mandeha
ràn‟orona matetika na isam-bolana dia tokony ho entina any amin‟ny mpitsabo ihany .
Mamie; Mahajanga
Domoina;
Ivato
1- Mbola zaza aho
Dia lazainao be lalao
Ka na te hanao izany
Dia mipetraka ihany
2- Mbola zaza aho
Ampahatsiahiviko
anao
Ka raha miteny
noana
Dia hoe be taraina
foana
3- Mbola zaza aho
Eny, hoy ianao
Ka raha mba te hividianan-
javatra
Dia lazaina be fangataka 4- Mbola zaza aho
Ka tsoriko aminao
Fa raha mitomany
Dia hoe be koretaka
hatrany
5- Mbola zaza aho
Dia mangala-pihinana
Fa raha olon-dehibe
Dia manandra-tsira hoe
6- Mbola zaza aho
Raha mba fantatrao
Fa raha mba miteny
Dia bedy ombieny ombieny
7- Mbola zaza aho
Ambarako aminao
Ka raha sendra olo-maro
Dia tsisy mahatsiaro
9- Mbola zaza aho
Nefa ambarako aminao
Fa manan‟ireo zo ireo toa
anao
8- Mbola zaza aho
Ka alefa mianatra
Dia tsy arahi-maso
Fa hoe ampelan-tanan‟ny
mpampianatra
TAONA FAHA VI, N° 1 Page 5
MAHA SALEZIANINA
Ho fiomanana sahady amin’ny fankalazana ny faha-200 ny naha-
terahan’i Don Bosco dia manasa antsika manokana ny Rec-
teur Majeur mba handinika ny fiainam-panahin’i Don Bosco dia ny fiai-
nam-panahy salezianina izany. Tsy mifanalavitra amin’ny fiainam-panahy
Kristianina io fiainam-panahy io satria dia mifototra amin’ny hatsaram-
panahy. Hatsaram-panahy izay manosika antsika hikatsaka « ny vonina-
hitr’Andriamanitra sy ny famonjena ny fanahintsika ».
Tahaka ireo olomasina rehetra ihany koa i Don Bosco, niaina lalina ny
fiainana maha-kristianina tamin'ny
alalan'ny fanompoana ny tanora.
Araka izany, ny tanora miaina io
toe-panahy salezianina dia afaka
mivelatra ho olom-pirenena vano-
na sy kristianina mendrika ka
afaka handova ny lanitra.
Noho izany dia manasa anareo
rahalahy sy anabavy salezianina
mba hanovo ifotony ny fiainam-panahin'i Don Bosco; izany hoe hanohy
ny asa fanompoana ara-panabeazana sy pastoraly, izay notahafiny tami-
n'i Kristy mpiandry ondry tsara ka nahatonga azy hanana filamatra:"
Omeo ahy ny Fanahy ento ho anao ny sisa rehetra"
Mba hanampy anareo hahazo bebekokoa io Etrenne io, dia manolotra
hevi-dehibe telo ho anareo aho:
1– Ny traikefa ara-panahin’i Don Bosco: tokony ho tsapantsika
mandrakariva fa ny fiainam-panahy salezianina dia: fomba fiainana ma-nokana, vavaka, asa, fifandraisana, ankohonam-piainana; asa fanabea-
zana sy fanompoana manaraka rafitra marim-pototra sy ombam-pivoarana; mandala ny fiombonana amin’ny fiangonana sy ny fiaraha-
monina amin’ny alalan’ny seha-pikatrohana maro samihafa; Lova sarobi-dy voarakitra an-tsoratra.
2– Ny ivon’ny toe-panahy salezianina: Ny hatsaram-panahy, izay mifoto-
tra amin’ny fitiavana; ny famindram-po; ny fangorahana; ny famelana. I Jesoa mpiandry ondry tsara no fitaratra amin’izany: tsy hoe ho fakan-
tahaka ny nataony fotsiny ihany amin’ny hatsaram-pony, na ny fitadiava-na izay very, na ny fifampiresahina fa indrindra mba hampahafantatra
an’Andriamanitra amin’ny olona rehetra.
3– Ny fiainam-panahy salezianina ho an’ny fiantsoan’Andriamanitra ma-nontolo: Misokatra ho an’ny lalam-pahamasinana rehetra ny Fiainam-
panahy salezianina. Manana anjara lehibe amin’izany isika tanora araky ny maha izy azy antsika tsirairay avy. Ohatra mazava amin’izany ny fiai-
nan’i Dominique Savio, Michel Magone, François Besucco. Tsy tokony hisalasala isika lahiaka hanararaotra ny hitondra ny anjara birikintsika
amin’ny fanarahana an’io fiainam-panahy io.
Famintinana ny Etrenne 2014
Harry; Ivato
ETRENNE
HO VAVOLOMBELOKO MANTSY IANAREO
M ahafaly ahy ny mizara aminareo ny andram-
piainako.
Anisan’ny ankizy nobeazina tao amin’ny Oratorio aho
hatramin’ny fahazazako ka hatrain’ny fahatanorako. Ary
anisan’ny mpankafihy ny Oratorio.
Vao telo taona monja aho dia efa nanomboka nankany amin’ny Oratorio
Betafo. Ary anisan’ny zavatra tena tiako ny fanentanana, ny vavaka, ny
kilalao isan-karazany, ny fanatanjahantena ary ny fianarana mandihy.
15 taona aho no nanomboka nanao mpanabe tao amin’ny Oratorio ary tena
nafana fo. Tsapako fa nahazo zavatra be dia be aho ary tena tiako ny miza-
ra izany ho an’ny hafa indrindra ho an’ireo ankizy sy tanora mahantra.
Ny andram-piainako tao amin’ny Oratorio no nanosika ahy hahafoy ny
tenako hanampy sy hanabe ny tanora araka ny toe –panahy nananan’i Don
Bosco sy Marie Dominique Mazzarello izay nitarika sy nanampy azy ireo
hanantona an’i Jesoa.
Taorian’ny BACC dia nanomboka niroso aho ary efa tapa-kevitra tsara
ny hiroso amin(ny lalam-piainana ho relijiozy FMA.
Nandeha ny andro sy ny volana ary ny taona ary nandeha tsara koa ny
fiofanana isan’ambaratongany dia niroso nanao ny voady voalohany aho ny
5 aogositra 2011 tao Betafo.
Ny Tenin’Andriamanitra nanosika ahy ary araka ny andram-piainako dia
ny hoe: « Mahazo maimaim-poana ianareo, manomeza maimaim-
poana » (Matio 10, 8).
Araka ny araka ny andram-piainako
amin’ny fiainako an- davanandro dia
tsapako fa tena faly aho ary hafalia-
na lalim-paka miom- bona amin’i
Jesoa.
Ny tena manampy ahy dia ny vava-
ka, fiarahako amin’- ny rahavavy ao
amin’ny fikambanana: vavaka miaraka, fifam-pizarana, hafaliana, fiaraha-
miaina sy fiarahamiasa sns.
Izay no afaka hifam-pizarako aminareo ary manentana sahady an’ireo ankizy
sy tanora izay te-hahafantatra bebe kokoa ny fiantsoan’Andriamanitra azy
dia afaka miresadresaka aminay na izay akaiky anareo, ary mirary soa saha-
dy.
Misaotra e!
Sr Colette
Filles de Marie Auxiliatrice
Sr Colette (eo afovoany) ; Tamin’ny voady farany nataony
Page 6 Namako
VAOVAON’NY MSJM
notarihin‟i Mgr Servilien (Evekan‟i
Rowanda) nifampizarany ny lohahe-
vitra hoe « Ny hoe mpianatr‟i Je-
soa ». Ny hariva kosa dia niara nito-
di-doha nakany Copacabana indray
ny mpizaika rehetra mba hiaona
voalohany amin‟i Papa Ray Masina
François.
Ny 26 jolay 2013 dia mbola namojy
ny katesizy toy ny mahazatra ihany
ny tanora ka ny Mgr Leonard
(Arisevekan’i Bruxel) no nitarika izany. « Ny hoe
missionera no laha-hevitra nifampizarany tamin‟iza-
ny). Ny hariva kosa dia mbola niverina nakany Co-
pacabana ihany ny
tanora nanao ny
lalan‟ny Hazofija-
liana niaraka ta-
min‟ny Papa.
Ny 27 Jolay 2013
indray dia nisy ny
alim-bavaka izay
nandraisan‟ny ta-
nora ny sakramen-
tan‟ny fampihavanana; ary notohizana tamin‟ny la-
mesa fanirahana ny 28 jolay 2013. Vao vita moa ny
lamesa dia nitodidoha nihazo an‟i Madagasikara ire-
to iraky ny MSJM ireto.
Sambany teo amin’ny tantaran’ny MJSM no nisian-
‟ity andram-piainana ity ary antenaina tokoa fa hi-
tondra aim-baovao ho an‟ny salezianina eto Madaga-
sikara izany. Hisaorana manokana isika tanora re-
hetra sy ny fianakaviam-be salezianina tamin‟ny
fifanampiana rehetra nahafahana nahatanteraka iny
andram-piainana iray iny. Irariana mba hitohy ny
tahaka ireny ary manentana antsika tanora mba
havitrika sy tsy hatahotra amin‟ny asa fanompoana
sy fitoriana ny Vaovao Mahafaly. Miandry antsika
Jesoa, Miandry antsika ny Fiangonana, Miandry
antsika ny Papa, Miandry antsika ny tanora!
Domoina,Hary, Ando ;
Ivato
Tontosa soamantsara ny fankalazana
ny andro iraisam-pirenena iraisam-
pirenena ho an‟ny tanora (JMJ) andiany
faha 28, tany Rio de Janeiro ny 23 kaha-
tramin‟ny 28 Jolay lasa teo. 26 araka
izany no isan‟ireo delegasionina malaga-
sy nanatrika izany ka dimy tamin‟ireo
dia avy amin‟ny Mouvement Salesien
des jeunes.
Ho an‟ireo solotenan‟ny Salezianina dia
isan‟ny anton-dian‟izy ireo ihany koa ny
fanatrehana ny « Forum du mouvement salesien des jeunes.
Mahafaly anay ny mifampizara amintsika izany andram-
piainana niainan‟izy ireo izany.
Ny 19 jolay 2013 izy ireo no niainga ho any Rio. Mialoha
izany anefa dia nisy hatrany ny fiomanam-panahy nataon‟i-
zy ireo manokana sy niaraka tamin‟ny vononana nasiona-
lin‟ny tanora.
Ny 22 jolay 2013 izy ireo dia nanao fitsidihana masina teny
Corcovado, izay toerana misy ny sarin‟i Jesoa lehibe mame-
latra tanana, antsoina hoe « Christ Redempteur ». Isan‟ny
zava-dehibe natao teny ny fitondrana am-bavaka ny tanora
rehetra indrindra ny tanora malagasy sy ny MSJ.
Ny 23 jolay 2013 hariva
kosa dia nanatrika ny
lamesa fanokafana te-
ny Copacabana ny re-
hetra.
Ny 24 jolay 2013 no
nanatanterahina ny
FORUM sy ny fihao-
nan‟ny tanoran‟ny MSJ
maneran-tany manoka-
na. Tonga nanome voninahitra izany ny Recteur Majeur sy ny
Mère Générale. Nodinihina tamin‟io FORUM io ny lafiny mi-
sioneran‟ny MSJ; dia ny famahavahana sy ny fiaraha-
midinika ny atao hoe tanora ho an‟ny tanora izany. Marihina
fa solo-tena 5 isaky ny firenena farafahabetsany no afaka na-
natrika izany. Fa ny tolakandro kosa dia nisy korana niara-
han‟ny tanora salezianina rehetra.
Ny 25 jolay 2013 no niverina nanaraka ny fandaharanan‟ny
JMJ ny rehetra. Ka ny maraina dia namonjy ny Katesizy izay
TAONA FAHA VI, N° 1 Page 7
T ao anatin’ny herinandron’ny sapankazo no nankalazana
ny herinandron’ny MSJ teto Bemanevika. Ny
sampakazo moa dia andro natokana ho an’ny tanora eran-
tany. Ny Herinandron’ny MSJ maneran-tany moa dia
ankalazaina isaky ny herinandro faha roa ny volana Martsa
ka noararaotinay natao tamin’ny andron’ny sampakazo ny
teto Bemaneviky. Ny tanjona dia ny fampivondronana ny
tanora ho hery mivaingana afaka maneho ny ny finoana
velona eo amin’ny tanora namany sady isika raha teo koa
“Tanora ho an’ny tanora” izay mitondra azy ao amin’i Kristy
Jesoa. Eto ary dia mbola manentana ny faritra izay tsy mbola
nanatanteraka io andram-piainana io mba hanatanteraka
izany.
Manantena isika fa I Don Bosco no Ray mpanangona
antsika ao amin’I Jesoa
Duard Coord MSJM;
Bemaneviky
Claudine, Coord MSJM;
Manazary
N andritra ny telo taona nisesy izay, dia misy
ny fihaonan‟ny « Coordinateurs MSJM » sy
ireo tompon‟andraikitry ny pastoralin‟ny tanora
isam-paritra; mba hamolavola ny taridalana pas-
toraly ho an‟ny taona vaovao. Izany moa dia fitao-
vana miendrika boky kely iray, natao indrindra
mba hampiasain‟ireo mpanabe miasa ho an‟ny
tanora manerana ny Nosy.
Hita ao anatin‟ity boky kely ity ireo fomba fanen-
tanana sy torolalana entina mampita lohahevitra
amin‟ireo beazina. Feno araka izany ny fampiana-
rana atolotra satria hita ato avokoa ireo lohahevi-
tra mifanarka amin‟ny vanim-potoana litorjika, ny
mahakasika ny fomba fiainana salezianina ary
indrindra ny fanajana manokana an‟i Masina Ma-
ria.
Ho amin‟ity taom-pikatrohana 2013-2014 ho avy
aty ary dia ezaka voalohany ataontsika ny haman-
tatra sy handalina ary haka tahaka ny fiainam-
panahin‟i Don Bosco mba hahafahantsika mampi-
ta izany amin‟ireo beazina. Ny Ezaka faharoa kosa
dia ny hampita izany fiainam-panahy izany amin‟-
ny fomba tsotra sahaza an‟ireo beazina.
Samy nitondra ny anjara birikiny avokoa ny fari-
tra tsirairay avy tamin‟ny fanatontosana ity tari-
dalana pastoraly 2013-2014 ity dia ny : faritra
Andrefana (Mahajanga, Ambanja, Bemaneviky),
ny Faritra Afovoany(Ivato, Tsiadana, Betafo, Ije-
ly/Manazary) ary ny faritra Atsimo (Fianarantsoa,
Mahavatse, Ankililaoka).
Hezao ho tonga eny am-pelatanantsika ary ampia-
sao araka izany ny Taridalana pastoraly.Harena
lehibe ho antsika tanora izy io. Koa manentana
antsika mba hampiasa sy handrato fanabeazana
aminy. Ka hizara izany fahasoavana lehibe izany
amin‟ireo rehetra mila azy.
Ando Coord MSJM;
Ivato
Ta ny amin‟ny Fiangonana Anatroa, 17 km miala eo
Manazary no nanaovanay Fy . Izay natao ny 19
Août ka hatramin‟ny 01 Septembre 2013. Miisa zato mahery
ny isan‟ny mpaka FY ary mpanabe 12 ka ny roa tamin‟ireo
dia mpanabe avy eny an-toerana. Marihana fa efa fanin-
droany izao no nisian‟ny Fy tany amin‟ity toerana ity.
Ny trano Fiangonana sy ny tokontany no toerana nampiasai-
na satria any dia tsy mbola misy sekoly katôlika ary ny EPP
dia misy saingy mbola sarotra ny hahazoana azy noho ny
antony tsy azo anoharana. Ny asa tànana sy ny kilalao dia
natao teny antokontanin‟ny Fiangonana ary ny katesizy sy
ny tantara dia natao tao am-piagonana. Tsy mba misy jiro
moa any an-toerana ka nasaina ho tonga indray mandeha
tany Manazary ny mpaka fy mba hijery FILM izay nanampy
azy ireo amin‟ny fiainana maha tanora sy amin‟ny fialana
sakana.
Marihana fa ny FY ho anay any Manazary dia atao isaky ny
tolakandro ihany satria ny maraina na ny mpanabe na ny
mpaka Fy dia samy mbola manampy ny ray aman-dreny
any an-tsaha ka ny tolakandro vao afaka. Ho anay mpana-
be izay nandeha tany Anatroa kosa noho izany dia nanam-
py an‟ilay fianakaviana tany an-tsaha isa-maraina ho marim
-pisaorana azy noho ny fandraisany anay. Hafaliana lehibe
ho anay ny nanao izany asa izany satria noraisiny ho toy ny
zanaka an-trano izahay. Fanampin‟izany sia tsara sy nahafa-
po ny fandraisan‟ny kristianina anay. Mpanabe 10 mianada-
hy izahay no nalefa tany hanao Fy nandritra ny roa herinan-
dro.
Ny fitaovana hanaovana Fy sy ny vatsy dia nentina avy tany
Manazary ary dia niasa mafy « bicyclette » tamin‟ny fitante-
rana ny entana. Ny masera FMA ao Manazary koa dia na-
nao izay azony natao tamin‟ny fanomanana ny fitaovana,
tamin‟ny fanofanana sy ny fandefasana anay mpanabe ho
« misionera tany Anatroa » izay anisan‟ny fomba nentin‟i Don
Bosco sy i Mb Marie Dominique Mazzarello mba hampihely
ny fitoriany an‟i Kristy sy ny Evanjely.
Tamin‟ny famaranana dia nisy fiaraha-mivavaka niaraka
tamin‟ny kristianina avy eo nanao fety sy korana ary nofara-
nana tamin‟ny fivarotana ny asa tànana vitan‟ny mpaka FY.
Taorian‟izany rehetra izany dia nomonjy fodiana tamin-
kafaliana izahay mpanabe ka toa tsy re akory ny havizana-
na.
Rehefa vita ny FY dia nangataka tamin-dry masera ny tano-
ra sy ny mpanabe avy any an-toerana ny mba hisian‟ny ora-
torio any Anatroa mba hanohizana ny fanabeazana azon‟-
ny tanora sy ny ankizy tamin‟ny Fy.
Page 8 Namako
VAOVAOM-PARITRA
Ny Alahady 19 may 2013 teo no noto-kanana ny trano vaovaon’ny Eveka eto ambanja. Ny lamesa fanamasinana-na dia efa vita tao am-piangonana fa ny fitsofana rano ny trano ihany no natao teo an-toerana. Solon-tenam-anjakana teto an-toerana sy solon-tenan’ireo Reli-jiozy Lahy sy Vavy ary tompon’andraikitra isan-tsokajiny tao amin’ny Paroasy no nasaina manokana tamin’izany. Nofara-nana tamin’ny fiaraha-misakafo ny lano-nana.
FITOKANANA A raka ny efa fantantsika dia nankalaza ny faha-20 taona
nanabeazany ny Oratorio eto Fianarantsoa. Hofaranana
izany fankalazana izany ny 06-07-08 Desambre ho avy izao. Efa
ao anatin‟ny fanomanana tanteraka izany ireo mpanabe
nanomboka ny taona 1992 ka hatramin‟izao taona izao, ka maro
samihafa ireo hetsika entina hankalazana izany famaranana ny
faha 20 Taona izany izay mitodika be dia be hatrany amin‟ny
tanora. Hiatrika ny 20 taona manaraka indray ny Oratorio: ny
tsapa dia ny tontolo vaovao iainan‟ny tanora ankehitriny: misy
arak‟izany ny fanambim-panabeazana miandry antsika ka tsy
maintsy hampiarantsika ny Système Preventif eo amin‟izany
tontolon‟ny tanora ankehitriny izany.
Ny biraon’ny Vovonan’ny Tanora
Distrika Amboditanimena
TRANON’NY EVEKA
Mr Roger Coord. FMA ;
Ambanja N y Distrika Amboditanimena dia distrika missionnaire izay eo ambany fia-
hian‟ny Fikambanana Salésien Don Bosco. Araka izany dia tokana ny pasto-
raly izany hoe ny tanora rehetra ao amin‟io Distrika io dia tafiditra tanteraka
ao anatin‟ny MSJ avokoa, eny fa na dia misy aza ny Oratorio eto Ijely sy Mana-
zary ary Soamahamanina. Ireo tanora rehetra ireo dia eo ambany fitantanana
sy fitarihan‟i Mompera tompon‟andraikitra voalohan‟ny Pastorale des jeunes
ety an-toerana, miaraka amin‟ny Biraon‟ny Vovonan‟ny Tanora eto amin‟ny
Distrika, ary ny mompera Curé. Araka izany ny vaovao atolotray ho antsika
mpamaky ny « Gazety namako » dia mikasika ny fiainan‟ny Pastoraly des
jeunes rehetra ato anatin‟ny Distrika.
Vita soa amantsara ny Fihaonam-ben‟ireo tanora sy ankizy ao
amin‟ny Fikambanana Masina FET teto amin‟ny Distrika, ny volana Jolay
2013 lasa teo. Ny oratorio Ijely no nandray ireo tanora sy ankizy izay miisa
504, sy Mpanabe 57, masera 1 ary mompera 02. Telo andro ny fihaonana ka
ny lohahevitra nodinihana dia mikasika « Ny finoana ». Nisy ny nanao din-
gana, ary mpanabe roa no nanao dingana fahatelo tamin‟ny lamesa fama-
ranana.
Mahakasika ny Fy Don Bosco 2013 indray dia somary niala
amin‟ny mahazatra izahay satria tsy teto amin‟ny Oratorio Ijely no nanan-
tanterahana ny Fy Don Bosco fa natao tany amin‟ny Central iray izay ani-
sany be tanora indrindra ato amin‟ny Distrika, dia tany amin‟ny Central
Antoby izany. Tsy ny mpanabe ny Oratorio Ijely ihany no nanatontosa ny Fy Don
Bosco fa teo ny fiaraha-miasan‟ny komity ny Fiangonana Antoby, ireo tanora tsara
sitram-pon‟ny Central Antoby, ireo Frera miisy 05 sy mompera 01 ary ireo tanora
tao amin‟ny toera-panabeazana loterianina izay mitaiza tanora ihany koa eto
Miarinarivo. Andram-piainana voalohany izany ary dia tanora 300 teo ho eo no
niara-nifampizara hafaliana niaraka taminay.
Ny tanoran‟ny Distrika ihany koa dia nandray anjara tamin‟ny fifani-
nana nampanaovin‟ny Diosezy teo anivon‟ny Vondrona, amin‟ny fankalazana ny
taonan‟ny finoana, izay natao tany amin‟ny Distrika Mandiavato. Ny isan‟ny
tanora tsy tambo hisaina fa ny ho teneninay fotsiny dia feno ny camion iray. Maro
ny loka azon‟ny tanora.
Ankehitriny dia efa mamelona sy manangana ny Fikambanana Masina
FTMTK ( Fivondronan‟ny Tanora Malagasy Tantsaha Katolika), ny Antily sy ny
Fanilo, ary hiezahana ho hamparitaka manerana ny Distrika ny fikambanana
« typique » amin‟ny maha salézianina toy ny SDS, TDB, Laura Vicũna. Ary efa
mikarakara ny fetin’ny Don Bosco ny tanora amin‟izao.
Eto am-pamaranana dia ny fisaorana ny lehiben‟ny Fikambanana
nanomezany anay an‟i Mompera Martin, hikarakara anay tanora eto amin‟ny
Distrika manontolo.
Ny 27 Octobre 2013 teo no nandraisiana azy tamin‟ny fomba manetriketrika sy
fanokafana ny taom-pikatrohana amin‟ny lafiny taom-pianarana sy sakramenta,
izay notarihan‟i Père Provincial sy P. Carmelo (économe provincial) ary izy 04
mianaka mirahalahy aty Ijely.
A nisan’ny mampiavaka ny oratorio Don Bosco aty Betafo ny fikarakarana
tounoi. Ny 13 Mai lasa teo ary izahay no nanatontosa ny tournoi fanaonay
isan-taona izay nampitondrana ny lohanteny hoe « tournoi 26 Jona »ary
nofaranana tamin’ny 26 Jona izy io .Maro dia maro ary arak’izany ny tanora
tonga mandray anjara ary mahatratra 4OO eo ho eo izy ireo . Nisandrahaka
tamina taranja maromaro ireo tanora ireo toy ny foot-ball, volley ball, basket
ball, sns…..
Tanjonay amin’ny fikarakarana tournoi toy izao moa ny fanomezana fahafaham
-po bebe kokoa ireo tanora sy ankizin’ny Oratorio.Fanbeazana tanteraka ihany
koa no hoentinay eo anivon’izy ireo amin’izany ka sady voky fanabeazana izy
ireo no mitondra ondry mody na gana, na gisa sns……
Mandrampihaona vetivety ary mazoto daholo ry tanora namana A! A! A!
Rija Coord. MSJM ;
Betafo
R aha ny aty aminay tsy dia misy vaovao lehibe azo ambara aminareo, fa izay misy no hozarainay aminareo. Nanao fitsangatsanganana miaraka ny tanora kristianina eto
Ankililoaka ny alakamisy faha 17 ny volana Mai lasa teo iny,tany madio rano. Tanora 80 eo ho eo no nandeha ary tanora avy amin‟ ireo fikambanana Masina . nahitana Masera roa , pretra iray ary lahika maromaro. Nosokafana tamin‟ny fotoam-pivavahana ny fitsangatsanganana ary rehefa vita ny lamesa dia nisy ny fiaraha milalao, avy eo naira nisakafo. Tokony tamin‟ny 4ora tolak‟andro no niverina nody rehetra ary samy dibok „afaliana ny rehetra.
Ho tonga hamangy aty antoerana koa I Mgr P h i l g en ce Ra be o ny amin‟ny 17 Jiona 2012, ary miomana amin‟izany izahay satria amin‟io an-dro io ihany koa no andraisana ireo tanora maro izay handray ny Sakramentan‟ny fanka-herezana.
Vaovao avy any Ankililoaka
Justine Coord. MJSM ;
Ankililoaka
Henri
Coord SDB; Fianarantsoa
Page 9 Namako
R y mpamaky hajaina, aza adino fa anisan‟ny
manampy antsika betsaka amin‟ny
fifantohana ny filaminana, indrindra ho an‟ireo
ankizy sy tanora izay mbola mianatra; momba io
indrindra no hifantohan‟ny resantsika ato anatin‟ny
zava- mahasoa, ka indro ary toro-hevitra vitsivitsy
azoko hifampizarana aminareo :
Safidina tsara ny toerana ametrahana ny
entana ao an-trano. Tsara raha apetraka amin‟ny
toerana samy sahaza azy avy ireo entana sy ny
fitaovana rehetra, toy ny : fitaovana mahakasika ny
fianarana, kojakoja madinidinika fampiasa matetika
andavan‟andro ( fihogo, fitaratra, ranomanitra,
sns…), ireo fitafiana isan-karazany sy ireo fitaovana
hafa ( kiraro, akanjo, lamba firakotra, …) Ohatra : efi
-trano fianarana indrindra ny toerana asiana ny
birao toerana milamina, lavitry ny kotaba sy tsy dia
andalovana na hivezivezen‟olona matetika.Fadiana
arak‟izany ny mametraka ny latabatra hianarana
eo akaikin‟ny varavarana na mifanakaiky amin‟ny
efitranon‟ny zandry be kotaba ; kendreo ihany koa
mba ho toerana ho azon-drivotra sy ahazoana tara-
pahazavana natoraly. Tokony ho hita manodidina
ny latabatra izay zavatra fampiasa matetika sy izay
fantatra fa mety ilaina, indrindra ny fitaovana
mahakasika ny fianarana. Esorina na ampirimina ny
fitaovana tsy ilaina. Mba ho moramora kokoa
aminao ny hahita haingana an‟izay tadiavina, dia
tokony hilamina ilay birao kely ; ny atontan-taratasy
na kahie rehetra tsy ampiasaina dia tokony
ampirimina anaty “classeur”, aza adinoina ny
mametraka fitoeran‟ny penina eo ambony
latabatra mba tsy hiparitahan‟izy ireo, tokony hisy
„‟tiroir‟‟ ihany koa ametrahana ny fitaovana
madinika toy “scotch, agrafeuse”, sns… Tokony
ariana avokoa ny taratasy tsy ilaina rehetra, fa ireo
fitaovana fampiasa sy tena ilaina ihany no tokony
apetraka eo ambony latabatra, ohatra : ny kahie
misy ny lesona tsy maintsy hianarana, ny vakiraoka
anaovana fampiharana ary ny solosaina raha misy,
sns...
Ny haben‟ny latabatra no miantoka ny
fandaminana azy. Karazana fitaovana ihany koa ny
latabatra, eto izy dia sokajiana ho toy ny fitaovam-
pianarana. Tokony ho lehibe izany izy mba
ahafahana mametraka solosaina sy ireo atontan-
taratasy ary ny kahie sy ireo penina. Ny seza ihany
koa dia tokony mba ho seza azahoana aina, tsara
raha seza misy fiankinana mba tsy hankarary
lamosina indrindra raha tsy maintsy hipetrahana ora
maromaro. Atao “ambiance zen” ny efi-trano. Ilaina
tokoa ny fanadiovana tanteraka ny efi-trano,
farafaharatsiny indray mandeha isam-bolana
ankoatra ny fanadiovana tokony atao isan‟andro.
Amin‟izay fotoana izay dia tokony ho sokafana
midanadana tsara ny varavaran-kely mba hiditra ny
rivotra madio. Tsy azo atao ny mametraka fitaratra
na zavatra hafa mety mitaratra manoloana ny
latabatra hianarana fa manimba ny fifantohana
izany.
Fianakaviana iray efa re laza nanomboka tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-18 no
niavian-dRasoamanarivo. Zafiafin-dRandriantsilavo ; izay isan’ny mpanjaka an’Andria-
nampoinimerina tao Ilafy izy.
Ny taona 1848 no teraka Rasoamanarivo, tamin’ny andro nanjakan-
dRanavalona I. Vanim-potoana nanjakan’ny fanompoan-tsampy teto amin’ny Nosintsika,
na izany aza navela nitory ny filazantsara malalaka, ny Misionera Anglisy tany amboalo-
hany dia nony taty aoriana nipoaka ny hatezeran’ny Mpanjakavavy noho ny fandikana
vilana natao taminy mikasika ny fivavahana kristianina ka tsy navela nanohy ny asany
intsony ny Misionera protestanta. Fony mbola kely i Rasoamanarivo dia niaina tanteraka
ny fivavahana nentin-drazana dia ny fanompoan-tsampy tao an-dapa. Izy moa dia zaza
fahaefatra tamin’ny fito mianadahy, nonina tao Ambatondrafatandana Avaradrova.
Ny taona 1855 dia tafiditra antsokosoko tao Antananarivo ry Père Finaz,
Pretra Zezoita izay nilaza fa mpitan-tsoratr’Atoa Lambert izay mpivarotra. Herintaona
taorian’izay dia tafakatra ihany koa ry Mompera Jouen sy Webber, izay naka ny so-
lon’anarana hoe Duquesne sy Joseph ary nitonona ho mpivaro-panafody sy mpitsabo
mpanampy. Nahazo alalana hipetraka tao an-drenivohitra I M. Joseph, izy no nanorina ny
“Antoko mpihira zandriny” tao Andohalo izay misy ny zafikelin-dRainiharo
(Praiminisitra) anisan’izany koa Rasoa kely.
Rehefa nandeha ny fotoana, nisy fikasana hanongana ny mpanjaka Ranavalona I tamin’ny 1857, voarohirohy
tamin’izany ny vazaha notarihin’I Lambert. Tratra ilay tetika vao mainka romotra ny Mpanjakavavy. Nihamafy hatrany araka
izany ny fanenjehana ny fivavahana kristianina maro koa no notoraham-bato tao Fiadanana. Sivy taona Rasoamanarivo tamin’i-
zany andro izany, ho fakantoavana ny mpanjaka dia notaizana ananatin’ny fanompoan-tsampy izy mianadahy avy. Nahita maso
ny famonoana Rasoa kely, ontsa dia ontsa ny fony.
Ny 16 aogositra 1861, niamboho Ranavalona I, nandimby azy RADAMA II. Nahazo alalana hiverina ny vahiny
rehetra, namela malalaka ny nidiran’ireo Misionera izy. Avy hatrany dia nangataka fihaonana tamin’ny Mpanjaka ry Mompera
Jouen sy Webber izay tsy niafina intsony, ka nahazo alalana avy hatrany; Radama II koa dia naniry fatratra ny ahatongavan’ny
Malagasy ho Kristianina.
Herintaona taty aoriana nisokatra ny sekoly voalohany ho an’ny zazavavy izay notantanandry Masera Saint
Joseph de Cluny tao Andohalo, ka anisan’ireo voalohany nisoratra anarana sy nianatra Rasoamanarivo niaraka tamin’ny raha-
vaviny. 13 taona Rasoamanarivo no nalefa nianatra tany. Nanomboka teo dia maro ny zava-baovao nianaran-dRasoamanarivo
sy ireo namany fa tena nahafinaritra azy sy nironany kokoa dia ny katesizy. Vetivety dia nandroso ny fahaizan-dRasoamanarivo
ny Soratra Masina, ary nampihariny tamin’ny fiainany avy hatrany. Ny 01 novambra 1863 Rasoamanarivo no natao batemy tao
amin’ny katedraly. 15 taona izy tamin’izay, ary nanomezana anarana amin’ny batemy azy hoe: VICTOIRE ( FANDRESENA).
Hoy izy hoe: “Victoire, satria mba te mpandresy aho na amin’ny mora na amin’ny sarotra… indrindra eo anoloan’ny fahafate-
sana toa an’I Jesoa Kristy!”
Ny fianakaviany moa dia efa niandany amin’ny fivavahana Protestanata ka norahonan-drainy tsy handova azy izy raha hiditra
katolika fa ny reniny no nandamina ny resaka. Niorim-paka hatrany ny finoana nananan’I Victoire ka ny 17 janoary 1864 no
nanaovany ny komonio voalohany manetriketrika niaraka tamin’ireo zazavavy namany. Io no Komonio voalohany indrindra
manetriketrika tao Antananarivo. Nitombo fahamasinana I Victoire ka isan’ny nampiavaka azy manokana ireto:
Ny Sorona Masina no faratampony teo amin’ny vavaka nankamamian-dRasoamanarivo, ny famonjeny izany isan’andro
no nahazoany hery hiatrehany ny fiainany andavanandro.
Ny famangiana sy fitsaohana ny Sakramenta Masina no nimasoany isan’andro. Matetika izy eo am-pimbanjinana ny
Tabernakla dia ahitana hafaliana sy hazavana tsy hay tohaina ny endriny, hoy ny nahita. Mandohalika maharitra izy eo
anatrehan’ny Sakramenta Masina ka zary mampisy takaitra kely ny lohaliny izany. Fatratra ny fanomanany ny fety sy ny
dia mivavaka (procession) miaraka amin’ny Sakramenta Masina makenyAmbohipo fahizay.
Anisan’ny nankamamiany fatratra sy nandaniany fotoana ela ny fanaovany sapile na vavaka fanajana an’I Masina Maria
izay nanokanany ny tenany. Ankoatr’izay fanaony amin’ny ora voalahatra dia mitanisa ny sapile miaraka amin’ireo
mpanompony (fikambanana nankinin-dry Mompera taminy) izy raha vao misy fotoana malalaka na eo am-panaovan-
draharaha. Fatratra ny fanajan’I Victoire an’I Masina Maria ka voalazan’ireo nahita fa naniry kitro mihitsy ny ratsan -
tanany vokatry ny fanaovany izany ranolava. Nanana toerana manokana manatrika ny Otelin’I Masina Maria izy tao am-
piangonana tao Andohalo. Nony voatsangana ny fiakambanam-behivavy katolika nantsoina hoe: “zanak’I Masina Maria”
tamin’ny taona 1876 dia I Victoire Rasoamanarivo no voafidy ho filoha voalohany indrindra, ary dia tsy nitsahatra
nanentana ny namany tamin’ny fitiavana sy fanajana an’ilay Reny Masina indrindra.
Tsy ny fiainam-panahy ihany no nahamasina azy fa ny fiainany ny didim-pitiavan’I Kristy ka nananany fitiavana mano-
kana ireo madinika samihafa. Nanavanana azy ny fiahiana ny mahantra sy ny marary, ny gadra sy ny boka, indrindra ireo
mpanompony marobe izay netiny sy notiaviny toy ny zanany.
Feno 16 taona I Victoire dia nampanambadiana an-dRatsiamatahodriaka (Radriaka) zanaka lahimatoan-dRainilaiarivony
Praiminisitra sady anadahin-dreniny. Nitana ny “lova tsy mifindra moa ny fianakaviana, ka tsy mahagaga raha mifanambady
samy mpihavana.Na dia teo aza ny faniriany te hanao relijiozy dia nanaiky ny fangatahan’ireo Ray aman -dreniny izy. Ny 13
mey 1864 no nanamasinana ny mariazin’I Victoire sy Radriaka tany am-piangonana. Na dia mbola tanora aza izy dia nahatsapa
ny hasin’ny fanambadiana sy ny haleben’ny adidy miandry azy, ka niezaka ho mendrika ny vadiny. Naneho hatrany fitiavana sy
firaiketam-po manontolo izy.
Na dia efa nanambady aza I Victoire dia mbola nianatra ihany ary nandroso ny fandalinany ny fivavahana ka
tamin’ny 11 septambra 1864 no nandraisany ny sakramentan’ny Fankaherezana.
Vetivety dia hitany niharihary ny toetra ratsin-dRadriaka izay tonga mpanitsakitsa-bady, sakaizan’ny toaka sy ny
loka. Niteraka fijaliana maharitra ho an-dRasoamanarivo izany toetram-badiny izany kanefa noleferiny tamin-kerim-po sy
faharetana lehibe izany sy ny fanarabian’ny olona azy. Teo amoron’ny fahafatesana noho ny ratra mafy nahazo azy rehefa avy
niliba ka tsy nahatsiaro tena vokatry ny aliakola iny, dia sady notsaboiny ity vadiny efa niala aina no noresahany ny famonjena
ny fanahy. Nanaiky hibebaka sy hatao batemy Radriaka; fa noho ny fotoana efa hamehana tsy nahazoana Pretra intsony hanao
batemy azy ka nanome anarana hoe: Joseph ary segondra vitsy taorian’izay dia nodimandry ilay vady malalany. Ny 17 marsa
1888 no fandevenana an-Radriaka. Vao mainka nihananakainy ny Tompo I Victoire tamin’ny vanim-potoana mavesatra ho azy
iny, tsy nitsahatra ny nivavaka izy.
Ny 18 aogositra 1894, nihombo aretina be I Victoire…
Ny 21 aogositra 1894, nantson’ny Ray hody any aminy tamin’ny efatra ora hariva ny mpanompony, araka ny hafatr’I Victoire
dia I Marguerite ihany no mikarakara ny razana, akanjo fotsy toy ny fanao amin’ny komonio voalohany no nampanaovina
azy… endrika mirana sy tony no mbola hita eny aminy. Niantsoantso an’I Masina Maria izy tamin’ny segondra farany : “Ry
Neny, ry Neny”, ranoamso niharo fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra no nirotsaka hatraiza hatraiza. Nanam-paniriana ny
hilevina ao amin’ny fasan’ny misionera ao Ambohipo izy fa tsy navelan’ny fianakaviany. Katolika 8000 mahery no tonga
nanao veloma azy farany tao Andohalo. Ny 25 aogositra 1984 no nentina ho ao amin’ ny fasan-dRainiharo ny razana. Ary araka
ny didin-dRanavalona I dia napoaka tafondro isaky ny mivoha ny fasan-dRainiharo.
Ny 9 mey 1985, natsanagn’I Papa Joany Paoly faha-2 ho OLONTSAMBATRA I Victoire.
KOLON-TSAINA
Mahasoa an!
Mamie coord MSJM;
FMA Mahajanga
Ando coord MSJM;
FMA Ampasanimalo
Page 10 Namako
Iharilanto Patrick
ANDRIAMANGATIANA
IPA
Olomangan’i Gasikara
1955
Teraka tamin‟ny 16 may 1955 tany mitsinjo Mahajanga.
Zanak‟i RAZAFINDRAKOTO John Dav sy RAZANAMANGA
Victoire. Notezain-dRaibe sy Renibeny avy amin-drainy
nandritra ny fotoana vitsivitsy. Vao 10 taona dia efa
nahavaky ny Baiboly. Nanambady tamin‟ny taona
1984. Nahazo ny Licence des Lettres Malgache tamin’-
ny 1978. Mampianatra ao amin‟ny Lycée Andoharano-
fotsy taona 1987. rehefa avy nampianatra tao amin‟ny
Lycée Mananara Avaratra; ary tao amin‟ny Lycée sy
Collège Maranatha Moramanga.
Ny taona 1993 izy no niditra tao amin‟ny fikambanana
Malagasy Mandala ny Riba (FMMR). Niditra tao amin‟-
ny Havatsa Upem ny taona 1996; ary filoha lefitry ny
fikambanana izy ny 1999. Tao amin‟ny akademiam-
pirenena malagasy, sampana I, nanomboka ny Fe-
broary 2002 ary tao anatin‟ny faribolana IPA.
Vao 15 taona monja izy dia efa nanomboka nanoratra
ary efa sarotiny tokoa ka anisany nanosika azy handali-
na ny teny sy ny haisoratra teny amin‟ny Universite ho
tonga « Tena mpanoratra ».
Isan‟ny manavanana azy ny asa soratra amin‟ny teny
malagasy sy teny Frantsay
Singanina manokana amin‟izany ny tantara foro-
nina « Vakivakim-piainana » nosoratany tamin‟ny
taona 1995 izay nahazo ny loka voalohany ta-
min‟ny fifaninana nampanaovin‟ny Havatsa-
UPEM ary navoakany tamin’ny 1998 ka tafiditra
ao amin‟ny fandaharam-pianarana malagasy
kilasy famaranana sokajy A,C,D.
Tantara mahaliana tokoa ity tantara ity noho izy
mampibaribary zavamisy iainana sy lafin-javatra
maro hita na re fotsiny fa tsy nohalalinina. Mifano-
jo amin‟ny hetahetam-pon‟ny Malagasy ankehi-
triny toy ny fampijoroana ny fahamarinana ny
hevitra sasany. Ary ny filazan-javatra ao amin‟ny
tantara dia nahafahana nampihatra lafiny maro-
maro amin‟ny zava-kanto vita amin‟ny teny.
Mbola maro ny sangan‟asa nataon‟i IPA. Fitara-
tra velona ho antsika tokoa izy koa tradrao àry
ny talenta izay hananao entina manandratra
hatrany ny maha Malagasy.
Ando coord MSJM;
Ivato
“Adolantsento”! Raha ho nila vaniny na ho nitady tonony, dia ho
nanesy lava fa ny “dola” anie ka angotingotim-pihetsika fa tsy ato-
siky ny embona na atosaky ny sento; koa raha ho „adolan-tsento”,
moa tsy mifandàka fa tsy teny mifamihina?
Kanjo, izay ilay fifandirany: izay dia izay tokoa!
Ny angotin‟alahelo sy embona mifoha dia toy ny tovovavy mitsiky
an-dranomaso ny androm-pahazazany na/sy mihomehimehy saria-
ka ny oram-panantenany – atrika miandra ilay mba hoaviny.
Anebakebany eo tokoa ny hoe “Adolantsento”.
Fa vanim-potoana mampiboroaka karazana aingam-panahy io:
“fahavaratry ny fiainana”raha ny fahazazana no “lohataonany” ary
ny fahanterany no “ririniny”. Saingy tsy mbola ny fararanom-
pahombiazana akory ny Adolantsento, nefa koa fotoana anirian-
java-maro, fotoam-piandrandrana hoity; fotoanan‟ny voaloham-
pahadisoam-panantenana koa!
E…! ry Adolantsento: raha ho nahafantatra tokoa manko ianao!
Kanjo izany tsy fahafantaranao izany no Hasambaranao…
Dia izay no avoitran‟ity amboara ity; ny anisan‟ny lehibe indrindra
amin‟ny “fiainana adolantsento” no hirain‟i HOBIANA ato, dia ny
FITIAVANA: ny aingitrainginy, ny filafilany, ny ambatravatrany, ny
sinto-maheriny, ny fahasahisahiany, ny hasarotan-kenatra afeni-
ny… Hain‟i HOBIANA ny miangaly an‟ireny hetsi-po amam-panahy
ireny.
Iharilanto Patrick ANDRIAMANGATIANA
Hay Soratra sy Kanto
Ireo soa azo avy amin’-
ny Akondro ? (Banane)
Ny ankonadro no voankazo
fahita mandava-taona aty amintsika, ka
tsy hanano sarotra ny fampiasana azy mandritra ny fotoana
maharitra. Raha ny fikarohana nataon‟ny manampahaizana
momba ny sakafo sy ny “produit “ fampiasa amin‟ny vatana tany
ampita tany, dia voaporofo fa miady amin‟ny kentrona ny akon-
dro ka azo atao “masque” amin‟ny tarehy. Araho ary ity toro-
hevitra ity fa mety hahasoa anao.
Zavatra ilaina:
Akondro ¼
Voasary makirana in- 4 mitete
Fomba fikarakarana azy:
Potserina halemy tanteraka ny akondro, afangaro amin‟ilay
ranom-boasary makirana
Ahosotra avy hatrany amin‟ny tarehy dia avela hilona 15 na 20
minitra ary kobanina amin‟ny rano matimaty.
Rehefa voadio tanteraka dia averina sasana amin‟ny rano man-
gatsiaka indray ny tarehy.
Raha mahavatra manao ity masque ity in-telo isan- kerinandro
dia ho voaharo amin‟ny kentrona ny tarehinao.
Ranom-boasary makirana ampiarahana amin’ny tamenak’atody dia
hosorana in-droa isan-kerin’andro.
Mamie coord MSJM;
FMA Mahajanga
Fantatrao ve
Page 11 Namako
KILALAO HATSIKANA
Mavo fa tsy mena
Neny a!tsy mpitolona menavazana akory i dadabe fa fantatro! Ahoana no hahafantaranao izany ? Nojereko ny vazany dia mavomavo be fa tsy mena akory
Mifanesika
Nitsidika rova iray ity rangahy …….
Nanazava ilay mpitarika …………..
Ito izao ny seza nipetrahan’ireo mpanjaka rehetra nifandimby
nitondra!
Koa tsy nifanesika be teo ve ry zareo raha izany ?angaha tsy
mba nisy seza hafa.
Resa biby
Gaga ity rangahy iray sendra tany ambanivohitra nahita ity tantsaha iray manatombotomboka angady amin’ny tany ……… Inona izato ataonao ?
Mihaza parasy lafrika !
???? dia matinao amin’izao ve izy ireo ? Izao kosa angaha dia sovazy e !tsy mpamonomono biby aho fa ny tongony fotsiny no tapahiko! ????
Kafe
Misaotra fa tena tsara be ilay kafe ole madama a!
Misaotra dia ity ny kiridan
Atao inona ity ?
Isokiranao sofina fa tsy mahare tsara efa miteny aho hoe
ts’isy kafe ole fa tsotra no sisa!
Paradisa sa afo be
Maty ity vadin’ity ramatoa dia tafaresaka tamin’ny namany izy ka
nanotany azy ity namany hoe:
Dia tsy fantatra mihitsy izany ny nahafaty ny vadinao
Rehefa tonga any am-paradisa hanontaniako izy
Dia hoy ity namany : koa raha tsy any izy fa any amin’ny afobe?
Dia ianao ’ndry no manontany azye! hoy ilay ramatoa namaly
6
4 5 2
6 9 5 3
8 4 5
6 4 5 7 1 8 9
7 6 2
1 8 2 7
3 8 7
5
SUDUKU: Fenoy isa 1-9 ny banga!!!
A B D E F G H I
1
2
3
4
5
6
7
8
Inona ary izany? 1. Anaty rano tsy lena an-tanety tsy malazo
2. Totoina tsy fotsy avela fotsy ho azy.
Ando coord MSJM;
Ivato
1– Mianbona; 2-Mahery (Miv); 3– Hanina; 4-Manjelatra; 5-
Mpitantana; 6– menaka; 7– Fisotro-Vazo(BL); 8 Fandrehitra
A– Mankasitraka; B-Mahery ((Miv)-Lio (miv); C-Evanjely; D–
Valik‟asa(BL); E-Ravo; F-Latabatra masina; G-Fotoana; H-
Tsisy nify
Rija coord MSJM;
Betafo
Page 12 Namako
Manatitratitra ny fisaorana, amin’ny fandraisantsika
anjara, tamin’ny fanatontosana ity gazety NAMAKO ity
Mouvement Salésien des Jeunes à
Madagascar
Maison Don bosco
BP: 60
Tel: 22 451 03
Fax: 22451 01
E-mail:
Areheto n
y afom-
pitiavana
efa velon
a ao
anatinar
eo.
Isika: « Fahazavana ho an’ny hafa »
Tanora iray antsoina hoe: « Fifaliana’, nan-
dray anjara tamin’ny Sorona Masina nihaino ny Te-
nin’Andriamanitra sy nandray an’i Jesoa Eokaristia.
Nivoaka tao Am-piangonana i Fifaliana, nifanena
tamin’ny namany iray antsoina hoe Rado izy. Nome-
ny tsiky i Rado ary nisy hazavana niaraka tamin’ny
tsiky nivoaka avy aminy. Nanohy ny diany koa i Ra-
do sy fifaliana ary samy nampita ny hazavana ta-
min’ny olona izay nifanena taminy avy… ary nitohy
toy izany avokoa ho an’izay rehetra nahazo dia nam-
pita.
Tamin’ny farany dia ny iray tanana manonto-
lo no nahazo hazavana ka namirapiratra sy nazava
na dia tsy nisy jiro aza teo an-tanana.
Isika tsirairay avy dia efa nandray an’i Kristy
ary zandry malalany, antenainy isika mba ho mpi-
tondra hazavana ho an’ny hafa
Misaotra e!!! Hoy Père Martin (SDB)
Mijoroa ho
Tanora misioneran’ny
tanora namana
Eny ianao
no mahav
ita
izany. R
aha tsy
ianao
dia tsy
misy hafa
!!!
« Sambatra ianareo manolon-tena
ho an’Andriamanitra eo anivon’ny
hatanoranareo »
Don Bosco
Recommended