32
Novokarin’ny tetikasa CARAMCODEC Carbonisation améliorée et contrôle forestier decentralisé à Madagascar Nampian’ny : WWW. CARAMCODEC .COM Torolalana mikasika ny FAMOKARANA SARiBAO NOHATSARAiNA FAMOKARANA SARiBAO NOHATSARAiNA

FAMOKARANA SARiBAO NOHATSARAiNA FAMOKARANA

Embed Size (px)

Citation preview

Page 1: FAMOKARANA SARiBAO NOHATSARAiNA FAMOKARANA

Novokarin’ny tetikasa CARAMCODEC

Carbonisation améliorée et contrôle forestier

decentralisé à Madagascar

Nampian’ny :

W W W. C A R A M CO D E C . CO M

Torolalana mikasika ny

FAMOKARANA SARiBAO NOHATSARAiNAFAMOKARANA SARiBAO NOHATSARAiNA

Page 2: FAMOKARANA SARiBAO NOHATSARAiNA FAMOKARANA

Ny tOROlAlANA vOARAkitRA AtO ANAtiN’ity bOky ity DiA MANEhO Ny hEvitRA MANOkAN’Ny MpANORAtRA, fA tsy vOAtERy hitOvy AMiN’Ny hEvitRy Ny vONDRONA EOROpEANA. Ny vONDRONA EOROpEANA DiA tsy tOMpON’ANDRAikitRA AMiN’Ny izAy MEty hAMpihARANA Ny tORO-MARikA vOAsORAtRA EtOANA.

Page 3: FAMOKARANA SARiBAO NOHATSARAiNA FAMOKARANA

Telo hetsy sy iray tapitrisa hekitara eo ho eo ny velaran’ny ala mandrakotra an’i Madagasikara : mahatratra 1,39 % isan-taona ny fihenany. Anisan’ny mampivarahontsana indrindra izany raha mihoatra amin’ny faritra tropikaly hafa. Isan-taona, dia vinavi-naina ho 200 000 hekitara eo ho eo no very vokatry ny : 1) fitrandrahana tsy am-piheverana amin’ny fakana hazo hanaovana trano, hanaovana fanaka, hamokarana angovo… ; 2) fandravana faritr’ala midadasika ahazoana tany hambolena vary, katsaka, sy hanin-kohanina samihafa ; ary 3) doro tanety sy doro ala.

Ny kitay sy ny saribao avy amin’ny hazo no angovo nentim-paharazan’ny Malagasy, sady tena fampiasany hatramin’izao, ary mbola ho ela vao mety hasolo azy ny angovo hafa toy ny entona sy herinaratra ary ny solitany, noho ny antony maro ara-tsosialy, ara-toe-karena na ara-kolotsaina. Na dia maro aza ny fikarohana sy fitadiavana karazana angovo hafa, dia mbola ny saribao aloha no mibahana sy mahomby indrindra raha ny amin’ny famatsiana angovo fampiasa an-tokatrano amin’izao fotoana izao. Tsy misy fanavahana ny karazan-kazo anefa ny famokarana saribao. Ratsy dia ratsy koa ny taham-pamokaran’ny fatana fampiasa hatramin’izay, ka vao maika mampitombo ny fandripahana ny ala. Ny fampiasana fomba famokarana saribao nohatsaraina dia mety hampihena izay fanimbana ala izay. Mety hampitombo avo roa heny ny taham-pamokarana saribao ireo fomba nohatsaraina ireo, ka hihena antsasany araka izany ny fanapahana ala hanamboarana saribao.

Izao ezaka izao dia mifanandrify tsara amin’ny politikam-pirenena ho amin’ny fampandrosoana, dia ny Madagasikara Amperin’Asa (MAP), mandritra ny fe-potoana 2007-2012. Ny fanentanana momba ny fampiasana angovo hafa sy ny fanatsarana ny fomba famokarana saribao dia voarakitra ao anaty ny fanamby faha-2 : Mampihena ny fanimbana ny harena voajanahary ao anaty ny Teny ifanomezana faha-7 : Kolokoloina ny tontolo iainana. Ny fampihenana ny voka-dratsin’ny fampiasana saribao eo amin’ny faritr’ala dia voarakitra ihany koa ao amin’ny Teny ifanomezana faha-2 : Foto-drafitr’asa mifandray, fanamby faha-4 : Mamatsy angovo ampy amin’ny vidiny mirary.

Hanolotra toro-hevitra ho an’ny famokarana saribao eto Madagasikara no tanjon’ity torolalana ity. Ny traikefa azo avy amin’ny fikarohana notontosain’ny FOFIFA tany amin’ny Faritra Boeny nanomboka tamin’ny taona 2000 sy ny fampiharana tao amin’ny Tetikasa “Projet Energie Domestique Mahajanga” niaraka tamin’ny sampandraharaham-panjakana misahana ny ala no nahafahana nanoratra ity boky ity. Ny tetikasa CARAMCODEC no nahafahana nandrindra sy nanatanteraka fampiofanana ny mpandraharaha ho fanatsarana ny taham-pamokarana saribao, sy ny fampiharana izany fampiofanana izany. Efa mihoatra ny 400 izao ny mpitrandraka saribao niofana tao amin’ny toby fampianarana tao Ambondromamy sy Ambalakida.

Enga anie ka ho azo ampiharina eny amin’ny faritra maro mpamatsy saribao manerana an’i Madagasikara izao traikefa izao !

Directeur Général du FOFIFA

RAZAFINJARA Aimé Lala, PhD.

Torolalana MIKaSIKa nY FaMoKarana SarIBao noHaTSaraIna

Page 4: FAMOKARANA SARiBAO NOHATSARAiNA FAMOKARANA

Fizahan-takelaka

PejyTeny fanolorana 5Ny lalana mifehy ny fitrandrahana ala 6

TAPANY VOALOHANY« Ny akora HAZO » : fitrandrahana sy fanamainana 9

1. Famaritana ny ala hamokarana 92. Famaritana ny habetsahan’ny saribao azo vokarina (quota) 93. Fanomanana ny toby 114. Fandavona sy famoriana ny hazo 135. Fanamainana ny hazo 15

TAPANY FAHAROA« Ny Fatana » : fanamboarana sy fandrehetana 17

6. Famaritana sy fitodiky ny fatana 177. Famatrarana ny hazo ao anatin’ny fatana 198. Fanamboarana ireo tatatra 219. Fandrakofana ny fatana 2310. Fandrehetana ny fatana 23

TAPANY FAHATELO« Ny Saribao » : fitantanana ny afo, fandoarana, fampidirana ao anaty gony sy fivarotana 25

11. Fitantanana ny afo sy fanarahana maso ny fatana 2512. Famonoana ny afo 2713. Ny fandoarana ny saribao vokatra 2914. Ny fitaovana ilaina amin’ny famokarana 29

Tetikasa CARAMCODEC 30

Page 5: FAMOKARANA SARiBAO NOHATSARAiNA FAMOKARANA

Ity torolalana ity dia mirakitra hevitra sy traikefa maromaro momba ny fanatsarana ny famokarana saribao eto Madagasikara. Mifantoka amina hevi-dehibe enina ny fanatsarana aroso eto :

1) ny fanamainanana mialoha ny hazo, izay mahafohy ny fotoana ary manamora sy manatsara ny fandotrarana ny hazo ho saribao ;

2) ny fitodihan’ny fatana sy ny toeran’ny lavaka fandrehetana mifanohitra ny fitsokan’ny rivotra, mba hampandehanana mora ny fandotrarana ny hazo ho saribao ka manatsara ary mahabetsaka ny taham-pamokarana ;

3) ny hatsaran’ny fandaminana ny hazo hafatratra ao anaty fatana, mba tsy hisian’ny banga izay mety hitarika afo tsy voafehy ;4) ny fandrakofana ara-dalàna ny fatana, mba hanatsarana ny fikombonany sy hampitoviana tsara ny fandotrarana ny hazo ho

saribao ;5) ny fitantanana ny fanokafana sy fanidiana ny tatatra fidiran-drivotra arakaraky ny toetry ny andro, mba hanatsarana ny

fandotrarana ny hazo ho saribao ;6) ny famonoana ny vain’afo amin’ny alalan’ny fandrakofana azy amin’ny tany, toa izay fanondrahana azy amin’ny rano, mba

hialana amin’ny fahapotehan’ny vongana saribao. Mitombo arak’izany ny hatsaran’ny saribao azo amidy.

Ny fampiharana ny toro-marika atolotra etoana dia mba hahatonga ny mpanao saribao ho afaka manatsara ny taham-pamoka-rany, na dia tsy mampiasa vola mihoatra ny mahazatra aza. Mety hitombo avo roa heny aza ny vokatra saribao. Izany hoe, raha fatana iray mirefy 3 m ny halavany, 1,5 m ny sakany ary 1,2 m ny haavony, dia mety hamokatra 30 gony amin’ny 50 kilao isany, raha 15 gony monja no azo amin’ny fomba mahazatra nentim-paharazana.Setrin’izany, raha toa ka manaraka izao toro-marika izao ny mpamokatra saribao rehetra eto Madagasikara, dia hihena lavitra mihitsy ny fihantraikan’ny asany amin’ny fahapotehan’ny ala voajanahary eto amin’ny tanindrazantsika.Fitaovana fitantanana ny tontolon’ny ala iray fanampiny ihany koa ity torolalana ity ho an’ny mpandraharaha sy ny tompon’andraiki-panjakana eto an-toerana na iraisam-pirenena ary ny fikambanana misahana ny famatsiana angovo ho an’ny tanan-dehibe, na miankina amin’ny fanjakana izy ireo na tsia.

Fampitandremana : ity torolalana ity dia novolavolaina araky ny traikefa azo tao amin’ny faritra Boeny, indrindra tao anaty faritra voafindra fitantanana araky ny lalàna 96-026 napetraky ny PEDM (Projet Energie Domestique de Mahajanga) tamin’ny taona 2001, ary nohavaozin’ny tetik’asa CARAMCODEC tamin’ny taona 2006. Araka izany, ny ohatra raisina eto dia ny mpamokatra saribao miasa anatin’izany faritra nisy famindram-pitantanana izany. Mazava ho azy fa azon’ny mpamokatra saribao rehetra ampiharina ny toro-marika voarakitra etoana.Ity torolalana ity dia novokarin’ny tetik’asa CARAMCODEC, izay famatsim-bolan’ny “Programme Energie Intelligente pour l’Europe”.

projet CARAMCODEC : CARbonisation AMéliorée et COntrôle forestier DECentralisé à Madagascar

TenY Fanolorana

5

Page 6: FAMOKARANA SARiBAO NOHATSARAiNA FAMOKARANA

Ireto avy ny fepetra tokony harahin’ny mpanao saribao vonona ny hiasa ao anaty ny fanarahan-dalàna :• Faritana tsara ny toerana sy ny fomba fitrandrahana ny hazo ho

ampiasaina hamokarana saribao ;• Fanarahana ny fepetra rehetra hiarovana amin’ny mety hipari-

tahan’ny afo rehefa mahandro ny hazo ho lasa saribao ;• Fanarahana ny lamina mikasika ny famarotana ny vokatra : ny

habetsaky ny saribao azo amidy sy ny fomba fakana hetra, mba hahafahana manara-maso akaiky ny fandraharahana mikasika ny saribao.

Azon’ny mpanao saribao alaina malalaka eny amin’ny biraon’ny Sampan-draharaha misahana ny ala ireny lalàna samihafa ireny.Ny didim-pitondrana laharana 82-312 momba ny fomba fanam-boarana saribao no manan-danja indrindra raha ny lalàna mi-fehy ny famokarana saribao no jerena. Voafintina eto ambany ny ambangovangon’ity didim-pitondrana ity, saingy tsara ho marihina fa amin’ny fotoana anontana ity torolalana ity, dia misy volavolan-dalàna natao izay mety hanova ity didim-pitondrana ity.

Ilazana arak’izany ny mpandraharaha momba ny saribao rehetra (mpamokatra, tompon’ala, mpivarotra, sns.) fa tsara ny mana-tona ny sampandraharaha misahana ny ala eny an-toerana mba hahafantarany ny lalàna mihatra sy manankery.

• Ny fanamboarana sy ny famokarana saribao dia mila :- Fahazaoana alalana avy amin’ny Sampan-draharaha misahana ny rano sy ny ala (Permis d’exploiter) ho an’ny ala na fambolen-

kazom-panjakana sy ny alan’ny vondron’olona ifotony na ny alan’ny vondrom-bahoaka (kaominina). Andoavam-bola ny fahazoana io alalana io ;

- Fahazoan-dalana (Autorisation) ho an’ny alan’olon-tsotra na “privés” (bois des particuliers). Maimaim-poana io fahazoan-dalana io.

• Ambin-kazo avy nanaovana fitrandrahana ala “madriers” na “planches” : lohan-kazo, rantsany. Hazo ao anaty ny sokajy faha-V (catégorie V), ka 10 sm ny savaivo fara-fahakeliny. Azo anontaniana any amin’ny sampan-draharaha misahana ny ala ny lisitry ny hazo ao anaty ny Sokajy faha-V io.

• Tanjon’ny Sampan-draharaha misahana ny rano sy ny ala ny hampanara-penitra ny fanamboarana sy ny famokarana saribao. Andraikitr’io Sampan-draharaha io ny fanofanana sy ny fanaraha-maso ireo mpamokatra saribao ary ny fanomezana karatra maha-matihanina ho an’ireo mpanao saribao manara-penitra (Carte professionnelle). Tokony hisy ezaka sy fanaraha-maso entitra ataon’ny tompon’andraikitry ny Rano sy Ala mikasika izany.

Ireo lalÀna MIFeHY nY FITranDraHana ala

6

Page 7: FAMOKARANA SARiBAO NOHATSARAiNA FAMOKARANA

Kapaina farany ambany arak’izay tratra ny hazo. Tsy azo atao ny mandoro ao aorian’ny fikapana na fitrandrahana hazo mba ahazoana saribao. Toy izany koa ny fandoroana vodihazo eo am-potony mba hamokarana saribao.

• Tsy maintsy ny mandray fepetra rehetra hiadiana amin’izay mety hisian’ny afo mety hampidi-doza ireo nahazo alalana :- Ny fanadiovana ara-penitra ny dimam-polo metatra (50 m) manodidina ny toerana fanamboarana saribao ;- Voarara ny fahandroana sakafo eny an-toerana, na hakana fepetra manokana hiarovana ny afo tsy hiely (trano kely voatokana

sy voadio tsara ny manodidina) ;- Mila manomana siny be feno rano eo ampototry ny fatana ny mpanao saribao. Tsy maintsy homanina koa ny fitaovana ahafahana

miady amin’ny afo tampoka sendra miely toa ny angady, antsy be, lapela sns. ;- Tsy maintsy andrasana ny fatana na andro na alina.

• Ireo nahazo alalana hitrandraka saribao avy amin’ny alam-panjakana dia mandray anjara amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny ala notrandrahany amin’ny alalan’ny voly hazo. Misy fifanarahana atao miaraka amin’ny Sampan-draharaha misahana ny rano sy ny ala eny an-toerana amin’izany.

• Amin’ny ankapobeny dia :- Alohan’ny famokarana saribao, dia tsy maintsy faritana amina tatatrafo ny ala nahazoana alalana : atao 2 m ny sakany fara-

fahakeliny ;- Ao anaty ny alam-panjakana na fambolen-kazom-panjakana sy ny alan’ny vondron’olona ifotony na ny alan’ny vondrom-

bahoaka (kaominina) nahazoana alalana, dia : Tompon’andraikitra amin’izay loza na fahasimban’ny ala mety hitranga

vokatry ny fitrandrahana na ny fitaterana ny saribao ao amin’ny faritr’ala azony ny mpanao saribao nahazo alalana ;

Mitazona an-tsoratra ny asa nataony ary tokony haseho ny manam-pahefana tompon’andraikitra izany ;

Ajanona ny fitrandrahana rehefa tapitra ny fahazoan-dalana hitrandraka ary tsy maintsy avoaka ao anaty ny 15 andro ny saribao vokatra rehetra ;

Ny taratasy manamarina ny fahataperan’ny fitrandrahana dia soniavin’ny mpitrandraka sy ny solotenan’ny Sampan-draharaha misahana ny rano sy ny ala eny an-toerana.

- Ny fitaterana saribao dia arahana taratasy misy daty sy voasonian’ny solon-tenan’ny Sampan-draharaha misahana ny rano sy ny ala sy ny Fokontany ary misy ireto fanamarihana ireto : laharan’ny fahazoan-dalana, ny faharetany, ny fihaviany sy ny hahatongavan’ny saribao, ny habetsahany sy ny anaran’ny mpitatitra.

7

Page 8: FAMOKARANA SARiBAO NOHATSARAiNA FAMOKARANA

faritana ho akaiky rano ny toerana fanamboarana saribao

Page 9: FAMOKARANA SARiBAO NOHATSARAiNA FAMOKARANA

1 FAMARITANA NY ALA HAMOKARANA

• Ny famindram-pitantanana dia mamaritra ny ala misy sy ny fitrandrahana azo atao ao anatiny. Misy arak’izany ny sarin-tany manondro ny faritra azo itrandrahana saribao ;

• Jerena tsara ny sarin-tany mamaritra ny ala azo trandrahana voatokana hamo-karana saribao : tokony hifanandrify ary hitovy tsara izay voatondro ao anatin’ny sarin-tany izay voamarika ao anaty ny Drafi-panajariana sy ny Drafi-pitantanana ary ny Bokin’andraikitra, sy ny zava-misy eny an-toerana. Iarahana manatontosa amin’ireo solontenan’ny Sampan-draharaha misahana ny rano sy ala misy eny an-toerana io fampitoviana sarin-tany sy ny zava-misy eny an-toerana io mba tsy hisian’ny fifandirana any aoriana ;

• Mila manaja tsara ny faritra natokana sy nahazoana alalana ho amin’izany ny mpanao saribao : fadiana mihitsy ny mihoatra mankany amin’ny faritra arovana ;

• Faritana amin’ny aro-afo ny manodidina ny faritra : 2 m ny sakany. Ankoatry ny fiarovana amin’ny afo mety hitranga sy hiparitaka ao anaty ala, dia miavaka tsara amin’izay ny faritra hafa sy ny faritr’ala voatokana hamokarana saribao.

2 FAMARITANA NY HABETSAHAN’NY SARIBAO AZO VOKARINA (QUOTA)

• Ny habetsahan’ny saribao azo vokarina ho an’ny taona iray na “quota” dia voafetra arakaraky ny velaran’ala nanaovana famindram-pitantanana. Hajaina tsara io faritra tokony hamokarana amin’ny taona voatondro io araky izay efa voamarika tsara ao amin’ny bokin’andraikitra izay efa neken’ny VOI. Ny “quota” dia voafaritra amina Isana Hekitara/taona na Isana gony/taona ;

• Tokony hifanaraka tsara daholo ny mpamokatra saribao mpikambana ao amin’ny VOI amin’izay tokony ho anjaran’ny tsirairay : arakaraky ny vela-ran’ny faritra sy ny habetsahan’ny hazo ary ny isan’ny mpanao saribao io anjara io.

Ohatra : raha 1000 gony isan-taona ny saribao azon’ny VOI iray vokarina, ka 20 ny mpanao saribao nahazo alalana ao anatiny, dia 50 gony izany ny saribao azon’ny mpitrandraka tsirairay vokarina isan-taona raha atao zara mira.

« Ny akora HAZO » : fitrandrahana sy fanamainanaTAPANY VOALOHANY

9

Page 10: FAMOKARANA SARiBAO NOHATSARAiNA FAMOKARANA

Diovina ara-dalàna ny dimam-polo metatra (50 m) manodidina ny toerana fanamboarana saribaoary mahomby kokoa ny famoriana ny fatana vitsivitsy eo amin’ny toby iray

Page 11: FAMOKARANA SARiBAO NOHATSARAiNA FAMOKARANA

3 FANOMANANA NY TOBY

• Ao anaty ny faritra voatokana hamokarana saribao no hametrahana ny toby na ny toerana ahitana fatana maromaro voaomana tsara ho azo hilasiana rehefa manaraka ny fandrahoana saribao.

Famoriana ny fatana eo amin’ny toby• Hevitra tena mahomby tokoa ny mamory ny fatana vitsivitsy eo amin’ny toby

iray. Betsaka ny tombontsoa azon’ny mpanao saribao, noho izany :- Mahomby kokoa ny fanaraha-maso ny fatana : azo arindra tsara ny anja-

ran’ny tsirairay amin’ny fanarahana maso miaraka, ka mora tandrovana kokoa noho izany ny hatsaran’ny vokatra ;

- Fitomboan’ny vokatra isaky ny fatana. Mitombo arak’izany ny vokatra azo avy amin’ny fatran-kazo mahazatra (isana gony azo amina fatana iray) ;

- Mirindra kokoa ny famatsiana hazo sy ny famoahana ny saribao rehefa vokatra.

Maro ny tombontsoa azo avy amin’ny fiaraha-miasan’ny samy mpitrandraka saribao amin’ny alalan’ny famoriana ny fatana : ohatra ny fitaterana ny hazo, ny fanamboarana ny fatana, ny fandrakofana azy, ny fanaraha-maso, ny famoahana ny vokatra. Izany fomba fiasa izany anefa dia mitaky firaisan-kina sy fifampitokisana eo anivon’ny samy mpitrandraka saribao. Mila mirindra sy mizotra tsara noho izany ny fiainam-pikambanana eo anivon’ny VOI.

Toerana ametrahana ny tobyIreto avy ny fepetra tokony ho tandrovana amin’ny fisafidianana ny toerana ananganana ny toby :• Tsy lavitra ny famatsiana ny hazo, mba hialana amin’ny halaviran’ny fitate-

rana hazo be loatra. Kajiana mba haharitra ela ny fampiasana ilay toby mba tsy fandrahoana saribao indray mandeha dia ritra ny hazo manodidina ;

• Toerana marin-tampona, tsy dia misy tevana be : tsy misy honahona na mando lava, tsy dia be vato be… Tsy azo ananganana toby ny toerana masina na fady ;

• Tsy dia talaky rivotra loatra ny toerana fidiana hananganana ny toby mba hanamora ny fitantana ny fatana rehefa mahandro saribao sy mba hialana amin’ny afo mety hihitatra raha sendra rivo-mahery tampoka (tadio) ;

• Fidiana ny toerana akaiky rano : raha tsy izany dia manomana barika be feno rano atoa fiandry raha toa ka sendra loza tampoka ;

• Diovina ny manodidina ny fatana mba hiarovana amin’ny afo : 50 m manodi-dina no voalazan’ny lalàna manan-kery.

11

Page 12: FAMOKARANA SARiBAO NOHATSARAiNA FAMOKARANA

kapaina misolampy ny hazo velona ary atao faran’izay ambany ny haavon’ny vodihazo tavela

Page 13: FAMOKARANA SARiBAO NOHATSARAiNA FAMOKARANA

4 FANDAVONA SY FAMORIANA NY HAZO

• Fidiana ny hazo azo ampiasaina hamokarana saribao : jereo ny lisitra fa misy hazo voarara tsy tokony ho trandrahana hamokarana saribao noho ny hatsarany sy ny havitsiany ohatra. Ny hazo maivana, ny hazo fady ary ny hazo lò dia tokony tsy hanaovana saribao fa manaratsy ny taham-bokatra. Ny hazo azo trandrahana dia izay voarakitra ao amin’ny Sokajy faha-V araka ny Didim-pitondrana 82-312 ;

• Kapaina ny hazo velona : atao faran’izay ambany ny haavon’ny vodihazo tavela (15-20 sm miala ny tany) mba hahafahan’ny solofon-kazo hitsiry sy hitombo tsara ary tsy handratra rehefa mivezivezy ao anaty ala ;

• Atao misolampy ny tampon’ny vody hazo tavela mba tsy hanangon-drano : tsy ho lò ary tsy ho faty ny vodihazo tavela ary haniry tsara ny solofon-kazo hipoitra ;

• Alaina izay hazo maty ao amin’ny faritra : kapaina farany ambany izay tratra ihany koa (eo amin’ny 15-20 sm miala ny tany) ;

• Ho an’ny ala nahazoana alalana hitrandrahana hazo voasisy (madriers, chevrons, planches, plateaux…) dia tsy maintsy ampiasaina daholo ny ambin-kazo avy nanaovana fitrandrahana toy ny lohan-kazo sy ireo rantsany lehibe ary ireo vatany tsy mahitsy ;

• Tapahana arakaraky ny sakan’ny fatana ho hatao ny halavan’ny fanapahana ny hazo (1,5 m ny halavany) ary atao fira mahitsy fa tsy fira fary.

Silahana ny hazo vaventy (izay manana savaivo mihoatra ny 50 sm) mba hitovitovy ny halehiben’ny hazo ampiasaina. Tapahana izay hita fa mivilana be mba ho hazo mahitsihitsy daholo no hampidirina ao anaty fatana.

13

Page 14: FAMOKARANA SARiBAO NOHATSARAiNA FAMOKARANA

Atsongoloka ny hazo voatetika mba hanafaingana ny fahamainany

Page 15: FAMOKARANA SARiBAO NOHATSARAiNA FAMOKARANA

5 FANAMAINANA NY HAZO

• Atoby eo amin’ny toerana tsy dia lavitra loatra ny fatana ny hazo voatapaka, ary ha-mainina.

Maro ny mihevitra hoe mandany andro ary fotoana very fotsiny ny fanamainana ny hazo, kanefa tsy tokony ho dinganina mihitsy. Misy fiantraikany be amin’ny hatsaran’ny saribao vokarina ny hamandonan‘ny hazo ampidirina ao anaty fatana : manamora sy manafohy ny fotoana fandotrarana ny hazo ho lasa saribao ary mampitombo ny taham-pamokarana isaky ny fatana ny fampiasana hazo maina tsara.

• Akambana tsifolofolo ka hatramin’ny 15 ny ratsan-kazo ary atsangana toy ny manan-gana trano lay (jereo ny sary).

• Atsongoloka ny hazo voatapaka mba hana-faingana ny fahamainany : ny lohan-kazo no atao ambany. Atoby eo amin’ny toerana tsy dia lavitra loatra ny fatana ny hazo voatapaka

• 18 ka hatramin’ny 20 andro ny fahelan’ny fanamainana ny hazo araka io fomba voalaza io raha ny toetr’andro any Boeny no resahina.

➽ Mampihena ny fotoana fanamasahana sy mampitombo ny taham-pamokarana saribao ny fampiasana hazo maina tsara.

15

Page 16: FAMOKARANA SARiBAO NOHATSARAiNA FAMOKARANA

Atodika manaraka ny fitsokan’ny rivotra ny halavan’ny fatana

rivotra

Page 17: FAMOKARANA SARiBAO NOHATSARAiNA FAMOKARANA

Fampiasa matetika eto Madagasikara ny fatana saribao noho izy mora atao. Kely ny vola ilaina aminy miohatra amin’ny fomba fanamboarana saribao hafa toy ny fatana manara-penitra avy any Casamance sy ny fatana vy (MARK V) ohatra, izay mila barika vy maromaro, ka tsy takatry ny ankamaroan’ny mpamokatra saribao eny ambanivohitra.Ny fatana dia hazo nafatratra hanome efa-joro lavalava : voarakotra ratsan-kazo sy tany mba tsy hidiran’ny rivotra ireo hazo nafatratra ireo.Tsy misy fiantraikany amin’ny taham-pamokarana sy ny hatsaran’ny vokatra ny haben’ny fatana ampiasaina. Ny fahatsaran’ny saribao azo avy amin’ny fampiasa-na fatana nohatsaraiana dia vokatry ny fampiasana fitambarana fepetra maromaro toy ny fampiasana ny hazo maina sy ny fitandrovana ny fitodiky ny fatana miohatra amin’ny rivotra ary ny fanarahana maso sy fiambenana ny fahamasahan’ny hazo ho saribao ohatra. Fatana mirefy toy izao no mahazatra any amin’ny faritra Boeny izay nanangonana traikefa : halavany (l) x sakany (l) x haavony (h) = 3 x 1,5 x 1,2 m. Azo ampiharina amina fatana hafa refy ihany koa anefa ity torolalana ity.

6 FAMARITANA SY FITODIKY NY FATANA

• Atodika manaraka ny fitsokan’ny rivotra ny halavan’ny fatana. Ireto ny fomba mety ahitana izany fitsokan’ny rivotra izany :- Saina na lamba atsangana ;- Setroka ;- Fitongilanan’ny tendron’ny hazo manodidina.

• Faritana amin’ny tany ny haben’ny fatana hatsangana. Ohatra : l x l = 3 x 1,5 m izay refy mahazatra eny amin’ny faritra Boeny. Asiana tsatòka hazo ny zorony efatra.

• Diovina tsara ny manodidina ny fatana mba hiarovana ny afo tsy hihitatra raha sendra misy loza.

• Atao mifanakaiky sy milahatra tsara ny fatana ao anatin’ilay toby mba hanamorana ny fanarahana maso. Koa satria miankina amin’ny fitsokan’ny rivotra ny fitodihany, dia atao manaraka izany daholo ny fatana rehetra.

• Atao izay tsy hifanelingelenan’ny mpanao saribao am-perin’asa rehefa mamaritra ny fatana. Tsy tokony ho voatsembantsembana koa ny rivotra tokony hiditra isaky ny fatana. Atao mielanelana 4 ka hatramin’ny 5 m eo ho eo ny fatana tsirairay avy.

« Ny fatana » : fanamboarana sy fandrehetanaTAPANY FAHAROA

17

Page 18: FAMOKARANA SARiBAO NOHATSARAiNA FAMOKARANA

Asiana lafitany hazo lava lehibebe efatra (4) mifanelanelana tsara manaraka ny halavan’ny fatana

Page 19: FAMOKARANA SARiBAO NOHATSARAiNA FAMOKARANA

7 FAMATRARANA NY HAZO AO ANATY NY FATANA

Lafitany :• Asiana lafitany (na “longerons”) : hazo lava lehibebe (10-15 sm ny savaivony). Efatra (4)

manaraka ny halavan’ny fatana ary atao mifanelanelana tsara no ilaina ho an’ny fatana mirefy 1,5 m ny sakany. Manamora ny fivezivezen’ny rivotra ao anaty fatana izy ireo, ary mitondra ny vesatry ny hazo ho havadika saribao. Azo atao mitovy amin’ny halavan’ny hazo havadika saribao ny halavany ary hatohitohy manaraka amin’ny halavan’ny fatana.

Lavaka fandrehetana :• Asiana tsatòka hazo mirefy 20 sm ny savaivony (na tsatòka madinika maromaro ahazoana

20 sm mitambatra ny savaivony). 20 sm miala amin’ny sisin’ny fatana izay mifanohitra amin’ny fitsokan’ny rivotra (izany hoe tsy vava rivotra izany), ary ao ampovoan’ny sakan’ilay fatana. Io tsatòka io no mamaritra ny “lavaka fandrehetana” ny fatana nohatsaraina ;

• Tsy atsatoka amin’ny tany io tsatòka io, fa azo azonina amin’ny tady aloha na tohanana amin’ny hazo ohatra. Hazo afatratra no mihazona azy mitsangana rehefa avy eo. Atao 1,5 m ny halavany farafahakely, mba ho azo tsoahina rehefa vita ny famatrarana sy ny fandrakofana ny fatana.

Gorodona :• Rariana kobany na rairainy eo ambonin’ireo lafitany : hazo kelikely (8-10 sm ny savaivony) manaraka ny sakan’ny fatana ary alahatra

tsara ohatra ny gorodona mihitsy fa eo ambon’io no hataingina sy hafatratra ny hazo havadika saribao.

Famatrarana :• Afatratra amin’izay ny hazo rehetra eo ambonin’ny kobany :• Kendrena hitovitovy daholo ny hazo afatratra ;• Hazo mitovy karazana sy hamandona no afatratra ;• Atao izay hahakely ny banga eo amin’ny famatrarana ireo hazo : ampiadiana tsara

ny hazo rehefa hafatratra ka silahana amin’ny famaky raha ilaina izany na asiana sosoka na kaly na karatsaka mba hifatratra tsara ;

• Mba hahamasaka tsara ireo hazo lehibe, dia atao akaikin’ny vava afo ary ampovoan’ny fatana izy ireo. Tsy atao mifanakaiky ny hazo lehibe fa elanelanina hazo madinika na salantsalany kokoa mba hahakely ny banga izay mahatonga ny vokatra ho ratsy sy mety hitarika fihelezan’ny afo tsy ara-dalàna. Manamora ny fiampitan’ny afo eo amin’ireo hazo lehibe ihany koa ny fampiasana hazo salantsalany eo anelanelany ;

• Tohizana ny famatrarana ny hazo mandra-pahafenon’ny fatana ho : 3 m ny halavany (l) x 1,5 m ny sakany (l) x 1,2 m haavony (h)

• Azo atao ny manisy tohana eny amin’ny sisiny (eo andohany na antongotry ny fatana) mba tsy hirodanan’ny hazo hafatratra rehefa miakatra ny haavon’ny fatana ;

• Atao mari-tampona tsara ary tsy mikitaontaona ny tampony farany ambony mba hahamora ny fandrakofana.

19

Page 20: FAMOKARANA SARiBAO NOHATSARAiNA FAMOKARANA

Misy karazany telo ny tatatra izay lavaka hadiana amin’ny tany ao ampototry ny fatana

rivotra

Vava fandrehetana

4

Tatatra fandrehetana1

Tatatra fiainan’ny fatana2

Tatatra fiainan’ny fatana2

Tatatra fivoahan’ny

setroka

3

Page 21: FAMOKARANA SARiBAO NOHATSARAiNA FAMOKARANA

8 FANAMBOARANA IREO TATATRA

Ny tekinika fahandroana ny saribao amin’ny fatana no-hatsaraina voalaza eto dia fatana mampiasa ny firehetana anatiny. Midika izany fa ny ampahan’ny akora (hazo) ho havadika ho saribao ihany no mitondra sy manome ny angovo ilaina amin’ny fandotrarana ny hazo ho saribao amin’ny alalan’ny fandoroana ny ampahany. Io fandoroa-na io dia mila rivotra voalanjalanja sy voafetra ary voafehy tsara.Arak’izany dia ilaina ho mirindra ara-dalàna ny fande-han’ny rivotra ao anatin’ilay fatana. Raha diso be loatra ny rivotra dia betsaka ny vokatra ho very : hirehitra be ary ho lasa lavenona daholo ireo hazo nafatratra. Raha diso kely loatra kosa dia ratsy ny saribao vokatra satria tsy ampy ny hafanana hanamasahana ny hazo : betsaka no tsy masaka ka tapa-porohana ny ankamaroan’ny vokatra azo.

Ny tatatra dia ahafahana mandrindra sy mandanjalanja ny fidirana sy ny fivoahan’ny rivotra ao anaty fatana. Ny fanamboarana sy fampiasana azy ara-dalàna dia misy fiantraikany lehibe dia lehibe amin’ny taham-pamokarana sy ny hatsaran’ny saribao vokatra.• Ny tatatra dia lavaka hadiana amin’ny tany ao ampototry ny fatana. Toy izao ny hale-

hibeny :- halavany : 1,5 m eo ho eo- sakany : 20 sm- halaliny : 15 sm

• Misy karazany telo ny tatatra :- Tatatra fandrehetana ny fatana : eo amin’ny lohan’ny fatana ary tsy mifanandrify

amin’ny vava rivotra (mifanohitra amin’ny fitsokan’ny rivotra) no asiana azy, iray no isany ;

- Tatatra fivoahan’ny setroka : eo amin’ny tongotry ny fatana ary vava rivotra no asiana azy, iray ihany koa ny isany ;

- Tatatra fiainanan’ny fatana : fidirana sy fivoahan’ny rivotra. Atao manaraka ny halavan’ny fatana, roa isaky ny andaniny avy ary atao mifanelanelana tsara (ho an’ny fatana mirefy 1,5m ny halavany).

• Rariana ratsan-kazo sy raviny na bozaka ary totofana tany avy eo ambonin’ny tatatra tsirairay avy mba hiarovana azy ireo tsy ho tototra na ho simba rehefa mandrakotra ny fatana.

rivotra

ilaina ho mirindra ara-dalàna ny fandehan’ny rivotra ao anatin’ilay fatana

21

Page 22: FAMOKARANA SARiBAO NOHATSARAiNA FAMOKARANA

Rariana ravin-kazo na bozaka, avy eo totofana sy tsindriana amin’ny baingan-tany sy vovon-tany ny fatanamba hahatsara ny fandrakofana sy tsy hisian’ny rivotra miditra na mivoaka

Page 23: FAMOKARANA SARiBAO NOHATSARAiNA FAMOKARANA

9 FANDRAKOFANA NY FATANA

Ny antony handrakofana ny fatana dia ny hanakanana ny rivotra tsy hiditra ao anaty fatana ary ny hanatsarana ny fanamasahana ny saribao. Raha tsy voarindra sy voalanjalanja ny fidiran’ny rivotra ao anaty fatana, dia mirehitra daholo ny hazo fa tsy mivadika ho saribao. Amin’ireo tatatra fiainanan’ny fatana ihany no tokony hisy ny fivezivezen’ny rivotra ao anaty fatana.• Mba hahatsara ny fandrakofana, dia rariana ravin-kazo na bozaka, avy eo dia toto-

fana sy tsindriana amin’ny baingan-tany sy vovon-tany ny fatana efa vita famatra-rana sy misy tatatra. Vovon-tany na tany efa nanaovana saribao no ampiasaina eny anelanelan’ny bainga mba tsy hisy rivotra miditra na mivoaka ;

• Ny sisiny efatra ary avy any ambany no anombohana azy. Tandremana tsara ny tatatra mba tsy ho voatototra na simba ;

• Ny tampony ambony no amaranana azy ary avela tsy rakofana ny tandrifin’ny tsatòka hazo misy ny vava fandrehetana ny fatana eo amin’ny tampony.

10 FANDREHETANA NY FATANA

Ireto toro-marika manaraka ireto ny dingana arahina rehefa handrehitra ny hazo ao anaty fatana :• Tsoahina ny tsatòkan-kazo napetraka teo amin’ny vava fandrehetana afo eo

amin’ny tampon’ny fatana ;• Asiana kitay madinika efa maina sahabo in’enina tanana ao anaty ny vava fandre-

hetana (poti-kazo, rantsan-kazo, tapa-porohana, sns.) ;• Ampidirana vain’afo efa nomanina mialoha avy eo ambony ;

• Avela hahazo afo tsara ;• Fenoina ratsan-kazo na

hazo madinika efa maina ny lavaky ny vava fandrehetana mandra-pahafenony ;

• Saronana ny tampon’ny vava afo rehefa hita fa mia-katra tsara ny afo sy ahitana vain’afo tandrifin’ny tatatra fampirehetana afo avy eo ambany : asiana rantsan-kazo sy ravin-kazo na bo-zaka, dia totofana tany toy ny amin’ny fandrakofana ny fatana.

23

Page 24: FAMOKARANA SARiBAO NOHATSARAiNA FAMOKARANA

Arehitra amin’ny alalan’ny fampidirana vain’afo eo amin’ny tampon’ny vava afo ny fatana

rivotra

rivotra

Page 25: FAMOKARANA SARiBAO NOHATSARAiNA FAMOKARANA

11 FITANTANANA NY AFO

Ny fitantanana sy fanaraha-maso ny fatana no dingana lehibe indrindra amin’ny fomba fanamboarana saribao nohatsaraina. Misy akony sy fiantraikany goavana sy mivantana amin’ny taham-pamokarana sy ny hatsaran’ny saribao vokatra, ary koa amin’ny faharetan’ny fandrahoana saribao ny fitantanana sy fanaraha-maso ny fatana mirehitra. Tsy misy azo atao hoe fitsipika hentitra arahina ara-baki-teny, fa miankina amin’ny traikefa sy ny fahaizana ary ny fahamatoran’ilay mpitrandraka ny fitantanana ny fatana ary ny toetry ny andro misy eny an-toerana (rivotra,orana…). Fadiana ny manafaingana ny fahamasahan’ny saribao noho ny filana vola haingana ohatra.Arakaraky ny habe sy ny hamaroan’ny hazo havadika ho saribao, ny haben’ny fatana, ny tontolo manodidina (toetr’andro) sy ny fandro-soan’ny fahamasahan’ny saribao, dia ireto no asa tokony ho atao amin’ny fitantanana ny fatana :• Arindra sy ampifandanjana tsara ny fivezivezen’ny rivotra amin’ny alalan’ny fanokafana sy fanidiana ny tatatra fiainan’ny fatana. Azo

atsahatra ny fandotrarana raha toa ka ilaina izany : ohatra raha sendra rivotra diso mahery loatra, na tsy fahafahana manaramaso, na oram-be, sns. ;

• Tampenana tsara ny rakotry ny fatana tsy hidiran’ny rivotra ary hitsahana moramora ny tampony avy ao ambony : arakaraky ny fandrosoan’ny fahamasahan’ny saribao ao anaty fatana dia miletsy ny tampony tandifin’izay faritra masaka ;

• Fanentsenana sy fanampenana izay triatra sy lavaka na fahavakisana mety hipoitra rehefa miletsy ny saribao. Mety hitarika afo tsy voafehy (vaky afo) ireny triatra sy lavaka na fahavakisana ireny noho ny fidiran-drivotra diso tafahoatra, ka mety hihitatra ka handoro ny ala manodidina raha toa ka tsy voavonjy haingana.

Fitantanana : fanokafana sy fanidiana ny tatatra• Arakaraky ny fizotran’ny fahamasahan’ny hazo ao anaty fatana no anokafana na anidiana

ny tatatra fiainan’ny fatana (fivoana sy fidiran’ny rivotra) :- Raha fotsy ny lokon’ny setroka eo am-piandohana, dia mandeha tsara ny fizotran’ny

fahamasahan’ny hazo : antonony tsara ny rivotra ao anaty fatana ;- Raha manga ny lokon’ny setroka, dia be loatra ny rivotra tafiditra ao anaty fatana :

tokony hanidiana ny tatatra fiainan’ny fatana eo amin’ny sisiny na ny lafiny tandrifin’ny rivotra be loatra ;

- Raha be loatra ny setroka mivoaka amin’ny sisiny na ny lafiny iray, dia hanampenana ny tatatra any amin’ny sisiny mifanohitra amin’izay ivoahan’ny setroka be loatra.

Ny fanidiana sy fampihenana ny fisokatry ny tatatra ary ny fanampenana dia amin’ny alalan’ny fanatotofana na fanentsenana azy amin’ny rantsan-kazo miampy tany. Esorina ireo fanentsenana ireo raha tiana hosokafana ny tatatra.

TAPANY FAHATELO

« Ny saribao » : fitantanana ny afo, fandoarana, fampidirana ao anaty gony sy fivarotana

25

Page 26: FAMOKARANA SARiBAO NOHATSARAiNA FAMOKARANA

Arehitra amin’ny alalan’ny fampidirana vain’afo eo amin’ny tampon’ny vava afo ny fatana

rivotra

Page 27: FAMOKARANA SARiBAO NOHATSARAiNA FAMOKARANA

Fanaraha-maso : fanampenana ny triatra sy ny lavaka na ny fahavakisana samihafa ateraky ny filetsehan’ny fatana

Ny fivadihan’ny hazo ho saribao dia arahina fihenan’ny haben’ilay hazo. Mitarika filetsen’ny tampon’ny fatana izany ary manaraka ny fandrosoan’ny fahamasahan’ny saribao ny filetsen’ny faritra eo amin’ny tampon’ny fatana.Ankoatr’izay, ny fandoroana ny ampahan’ny hazo nafatratra no mitondra ny hafanana ilaina hamadihana ny hazo ho saribao. Io hafanana io dia manampy koa amin’ny fana-mainana ny hazo ao anaty fatana. Maina miraraka amin’izany ihany koa ny rantsan-kazo na ny bozaka sy tany nentina nandrakotra ny fatana, ka mitarika ny filetsen’ny fatana avokoa izany.Noho izany dia fomban’ny fatana ny fisian’ny triatra sy lavaka na fahavakisana eo ampan-drahoana saribao ka mitarika fidiran-drivotra tsy ara-dalàna.

• Raha sendra ka misy fivakisan’ny afo dia tampenana amin’ny rantsan-kazo sy ravin-kazo na bozaka miampy vovon-tany ny faritra vaky afo. Hitsahina avy eo ho mafy tsara ;

• Arakaraky ny fahamasahan’ny hazo dia miova ny lokon’ny setroka mivoaka. Tsy miara-masaka daholo ny hazo iray fatana. Miroso miainga avy eo amin’ny vava fandrehetana mankany any amin’ny tatatra fivoahan’ny setroka ny fahamahasahan’ny hazo : izany hoe miainga avy eo an-tongom-patana miroso mankany an-dohany ;

• Ny faritra akaikin’ny vava afo no masaka voalohany : miletsy ny tampon’ny fatana tandrifin’ny faritra masaka ; • Raha hita fa manify ny rakotra, dia ampiana tany ary hitsahina moramora ny faritra miletsy tsy ho vaky afo ny fatana ;• Valo na folo andro eo ho eo ny faharetan’ny fandotrarana arakaraky ny fahamainan’ny hazo sy ny fitsokan’ny rivotra ary ny fitanta-

nana ny afo ho an’ny fatana mirefy : halavany (l) x sakany (l) x haavony (h) = 3 x 1,5 x 1,2 m

12 FAMONOANA NY AFO

Rehefa tsy misy setroka na setroka tsy miloko manompo manga tanora no mivoaka eny amin’ny tatatra ary miletsy mitovy tantana ny tampon’ny fatana dia azo lazaina fa masaka ny saribao. Izao no tokony hataon’ny mpitrandraka saribao rehefa tonga amin’io fotoana io :• Tampenana daholo ny tatatra rehetra mba tsy hisy rivotra miditra na mivoaka

ao amin’ny fatana ;• Totofana tany tsara izay triatra sy lavaka na fahavakisana mety hidiran’ny

rivotra ;• Tsindriana amin’ny angady na hazo ny tampon’ny fatana ary afatratra tsara

mba tsy hisy intsony ny banga nateraky ny filetsehan’ny saribao masaka.

Avela amin’izay hangatsiaka ny fatana. 2 na 3 andro eo ho eo ny faharetan’ny fampangatsiahana, mandra-pahatonga ny sisin’ny fatana tsy hafana intsony.Mbola ilaina tokoa ny fanaraha-maso amin’io fotoana io, na dia tsy dia misy atahorana intsony aza ny fihitaran’ny afo.

27

Page 28: FAMOKARANA SARiBAO NOHATSARAiNA FAMOKARANA

Ny famatrarana anaty gony ny saribao vokatra dia atao amin’ny alalan’ny lapela sy angady rovitra ary tandremana tsara tsy hifangaro tany na vovoka ilay saribao

Page 29: FAMOKARANA SARiBAO NOHATSARAiNA FAMOKARANA

13 NY FANDOARANA NY SARIBAO VOKATRA

• Andrasana hangatsiaka tsara ny fatana vao loarana ny saribao : tsapaina amin’ny tanana ny tampony sy ny sisin’ny fatana raha tsy mafana intsony. Matimaty ny hafanana tokony ho voatsapa amin’izany ;

• Diovina sy alamina ny saribao vokatra : 10 x 5 m, sorohana ary atao marin-tantana tsara ;• Raha azo atao dia amin’ny maraim-be vao maneno akoho no loarana ny fatana : hita tsara amin’izay ny vain’afo raha mbola misy

tavela, ka totofana vovoka no fomba famonoana ireo vain’afo raha sendra mbola misy tavela ;• Esorina moramora ny rakotra : ny tany aloha no tsoahana izay vao ny bozaka sy ny ravin-kazo ;• Loarana ho eo amin’ny toerana efa voahomana ny saribao masaka ;• Totofana tany na vovon-tany nolemana rano ny vain’afo raha mbola misy tavela ;• Avela hangatsiaka tsara ny saribao : andrasana ora vitsivitsy ;• Afatratra amin’ny gony ary tandremana tsara tsy hifangaro tany na vovoka ilay saribao.

Famarotana ny saribaoNy andininy faha-55 ny volavolana didim-pitondrana manova ny Didim-pitondrana faha-82-312 momba ny famokarana sy fanamboa-rana saribao dia manome alalana ny manampahefana isam-paritra hamorona fandaminana manokana. Afaka manangana tsena eny anivon’ny fokontany na kaominina eny ambanivohitra izy ireo arakaraky ny fahatsapany ny filàny sy ny zava-misy eny an-toerana.Ny VOI tsirairay dia tokony hanana toby famarotana ny vokatra. Azo antsoina hoe “tsena ambanivohitra” io toby io, ary ny vokatra mivoaka avy ao anaty ny faritra voatokana sy voalaza ao anaty ny sarin-tany sy fifanarahana famindram-pitantanana no amidy ao. Mizotra araky ny voalaza ao anaty ny fifanarahana misy ao amin’ny lalàna 96-025 foana ny fomba fiasan’ny VOI amin’izany.Ny fananganana izany “tsena ambanivohitra” izany dia ny mba hahafahan’ny VOI manatsara sy mandrindra ny fivezivezen’ny vokatra sy ny fitrandrahana saribao ataon’ny mpitrandraka ara-dalàna. Manamora koa ny fakana ny hetra sy izay anjaran’ny VOI, ny kaominina ary ny sampan-draharaha misahana ny ala izany lamina izany.Hitarika fanafoanana tsimoramora ary fialana amin’ny fitrandrahana tsy ara-dalàna sy tsy manara-penitra izay mibahana amin’izao fotoana izao koa izany lamina izany.

14 NY FITAOVANA ILAINA AMIN’NY FAMOKARANA

• famaky sy antsy be, ilaina amin’ny fandavoana, fanapahana sy fandrantsanana ary famakiana ny hazo ;

• Antsim-bilona hanadiovana ny toerana manodidina (fanapaham-bozaka sy vero) ;• Angady fanamboarana ny tata-drivotra ;• lapela handrakofana tany ny fatana ;• Angady rovitra na “fourche” handoarana ny saribao sy hamatrarana azy ao anaty

gony ;• barika feno rano hiandrasana izay afo mety hihitatra ;• Gony sy tady hamonosana ny saribao vokatra.

29

Page 30: FAMOKARANA SARiBAO NOHATSARAiNA FAMOKARANA

Ny tetikasa CARAMCODEC dia vatsian’ny Vondrona Eoropeana vola. Ny tanjony dia ny fametrahana rindra maharitra hahafahana manatsara ny famatsiana angovo avy amin’ny hazo ny tananan’i Mahajanga aloha, dia manaraka avy eo ny ankamaroan’ny tanan-dehibe eto Madagasikara amin’ny alalan’ny paik’ady nasionaly ho an’ny angovo madinika.Ity tetikasa ity dia voarakitra ao anaty ny famindrana fitantanana ala velona avy amin’ny fanjakana mankany amin’ny Vondron’Olona Ifotony (VOI), iaraha-miasa amin’ny kaominina 11 ao anaty ny faritra mamatsy an’i Mahajanga, Faritra Boeny.Hevi-dehibe roa no naroson’ity tetikasa ity :• ny fampitomboana ny fari-pahaizan’ny mpandray anjara amin’ny fanapariaham-pitantanana ny

hazo fandrehitra ;• ny fananganana rafitra ara-ketra, ara-toekarena ary ara-politika ho an’ny famatsiana angovo

madinika ho an’ny tanan-dehibe.

Ireo hevi-dehibe ireo dia narahina asa eny anivon’ny kaominina ao amin’ny faritra Boeny ary ho ezahina hampiarina eran’i Madagasikara.Ao amin’ny faritra Boeny manokana, dia efa nanofana ny tompon’andraikitra amin’ny famindram-pitantanana ny ala ny tetikasa CARAMCODEC : ireo mpitrandraka sy ny mpanaramaso avy ao amin’ny kaominina ary avy ao amin’ny sampandraharaha- mpanjakana samihafa (ala, zandary, polisy). Ny tanjona dia ny fampidirana ny mpitrandraka saribao ao anaty ny sehatra ara-dalàna sy manara-penitra amin’ny alalan’ny famadihana azy ireo ho matihanina. Antenaina izany fa hitondra fitantanana maharitra ny fitrandrahana ireo hazo famokarana angovo ao anatin’ireo faritra namindrana fitantanana.Eo anivon’ireo kaominina 11 ao amin’ny Faritra Boeny, dia nohatsarain’ny tetikasa CARAMCODEC ny Fanaraha-maso ny fivezivezen’ny hazo famokarana angovo. Zary nahaleo tena amin’ny alalan’ny fakana hetra ampian’ny kaominina ambanivohitra sy ny mpiasan’ny sampandraharaha misahana ny ala izany Fanaraha-maso izany.Izay traikefan’ny tetikasa CARAMCODEC eny Boeny izay dia nentina hanampiana ny famolavolana lalàna vaovao momba ny fitrandrahana, famokarana ary famarotana saribao. Izany no natao dia ho fametrahana politika nasionaly ho an’ny famatsiana angovo ny tanan-dehibe eto Madagasikara.

Programme Energie Intelligente – Europehttp://ec.europa.eu/energy/intelligent/index_en.html

Commission européenneExecutive Agency for Competitiveness and Innovation (EACI)

Unit 1 - Renewable EnergyE-mail: [email protected] - tel: +32 (0)2 298 60 30 - fax: +32 (0)2 298 16 06

nY TeTIKaSa CaraMCoDeC

30

Page 31: FAMOKARANA SARiBAO NOHATSARAiNA FAMOKARANA
Page 32: FAMOKARANA SARiBAO NOHATSARAiNA FAMOKARANA

CIRAD (Madagascar)Centre de Coopération Internationale en

Recherche agronomique pour le DéveloppementDépartement forêt – U.R.p. forêt et biodiversité

bp 853 - Antananarivo 101 MADAGAsCARContact :

pierre [email protected] - www.cirad.mg

tel : +261 32 04 609 29 - fax : +261 20 22 408 21

Ny CiRAD dia sampan-draharaha frantsay misahana ny fikarohana momba ny fambolena, izay ao ambany fiahian’ny ministera anankiroa : Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ary Ministeran’ny Raharaham-bahiny sy Raharaha Eoropeana. Ny asan’ny CIRAD dia miompana amin’ireto taranja ireto : ny tany sy ny zava-manan’aina ao aminy, ny sosialy, ny fambolena, ny ala, ny fiompiana, ny sakafo, ny harena voajanahary ary ny tontolo eny ambanivohitra.

CRA-W (Belgique)Centre wallon de Recherches agronomiques

Département Génie ruralChaussée de Namur, 146

b-5030 Gembloux bElGiQUEContact :

Romain [email protected] - www.cra.wallonie.be

tel : +32 81 62 71 53 - fax : +32 81 61 58 47

Ny CRA-W dia eo ambanin’ny fiahian’ny Faritra Wallonnie any Belgique. Nisahana asam-pikarohana momba ny famokarana angovo avy amin’ny zava-maniry, nanomboka tamin’ny taona 1980 ny CRA-W. Mandray anjara amina tetikasa iraisam-pirenena amin’ny fametrahana rafitra famokarana angovo avy amin’ny zava-maniry any Eoropa, Azia, Afrika ary Amerika Latina ihany koa ny CRA-W.

FOFIFA (Madagascar)Centre National de la Recherche Appliquée au

Développement RuralDépartement Recherches forestière et piscicole

bp 904 – Ambatobe Antananarivo 101MADAGAsCAR

Contact :Alain Michel RAsAMiNDisA

[email protected] tel : +261 32 04 495 12 - tel : +261 32 24 353 22

Ny fOfifA (foibem-pirenena momba ny fikarohana Ampiarina ho an’ny fampandrosoana ny eny Ambanivohitra) dia sampan-draharaham-pirenena Malagasy. Ny sampam-pikarohana momba ny ala sy ny fiompian-trondro (DRFP) dia misahana ny fanatsarana ny famokarana saribao, ny fanatsarana ny fambolen-kazo sy ny lafiny sosialy ary toekarena momba ny ala. Mpikaroka sy mpiasa 336 no mikambana ao : mpikaroka 13 amin’ireo no misahana ny fikaro-hana momba ny ala.Tamin’ny taona 2002, dia niara nanangana ny « Unité de Recherche en Partenariat Forêts et Biodiversité » ny FOFIFA, ny CIRAD ary ny Oniversiten’Antananarivo. Fikarohana momba ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary sy ny zava-boahary eto Madagasikara no tanjon’izany fiarahana miasa sy fiaraha-miombon’antoka izany.

PARTAGE (Madagascar)Association Participation à la Gestion de

l’EnvironnementAmboditsiry lot ii A 14 A y - Antananarivo 101

MADAGAsCARContact :

serge [email protected]

tel : +261 32 04 495 12

Ny Association pARtAGE dia fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana izay mifantoka amin’ny fanampiana ny vondron’olona ifotony hitantana ny harena voajanahary nafindra fintanana. Efa 16 izao ny faritra voafindram-pitantanana napetrany teny amin’ny Faritra Boeny ka nampiany tamin’ny lafin’ny famolavolana fitaovana fitantanana ny fikambanana (drafi-panajariana, famaritana ny fepetra teknika fitrandrahana ny harena, fomba fangalana hetra, dina ifampifehezina, fandraketana ny adidin’ny tsirairay amin’ny alalan’ny bokin’andraikitra, sns.). Ny fikambanana PARTAGE no nisahana ny fanentanana teny anivon’ny VOI tao anaty ny tetikasa CARAMCODEC.

Mpiara-miombon’antoka ao anatin’ny tetikasa CARAMCODEC :