4
MASOMBOLY NOHATSARAINA SY VOAMARINA Masomboly nohatsaraina : Mamokatra kokoa Masomboly voamarina : Manaraka ireo fepetran’ny masomboly tsara kalitao. Ny fanovana masomboly dia atao isaky ny 3 taona : FOFIFA : 020 54 08 114 ; CASTELLS : 034 18 356 71 SD Mad : 034 03 030 05 ; ANDRIKO : 033 02 811 10 SCAA : 034 01 419 21 ; CFAMA Abb : 034 04 196 54 Fifantenana amin’ny rano Ho an’ny masomboly betsaka dia kororohina tsara ny masomboly ary atao anaty rano madio tsara avy eo, afangaro tsara amin’ny tanana ary esorina izay voa mitsingevana ka ny voa sisa tavela izay mipetraka any amin’ny fanambanin’ny daba ihany no azo antoka atao masomboly. Fampitsiriana Mba Hanafainganana ny fitsirian’ny voambary, Mba ahazoana zanaketsa mitovy habe ary hiara-hitombo sy hitovy tantana tsara dia: Alona anaty rano@ daba na rano mandeha mandritra ny 2 andro farafahelany araka ny karazam-bary. Raha amin’ny daba dia tsy maintsy soloina indray mandeha farafahakeliny ny rano mba hisian’ny oxygène. Ny masomboly dia mitsimoka ara-dalana ao anaty ranomandeha. Ka Ny hafainganan’ny fitsiriana dia miankina @ maripana. Ka noho izany dia tokony ho jerena matetika ny fivoaran’ny masomboly. Tsy atao anaty rano intsony ny voa ary aotrika amin’ny toerana mafana mandrapaha- vaky vazana azy. Mba hanamorana ny famafazana dia tsy tokony atao mando be ny masomboly afafy FIKARAKARANA NY TANINKETSA VITA SORITRA o Hahamora ny fifehezana ny rano amin’ny fampidirana rano sy ny fandritana. o Hampitovy tantana tsara ny zanabary sy hahamora ny fiavotana ary ny fikarakarana azy. o Tokony asiana rano hatrany hatrany ny lakan-drano Fitondrana zezika@ taninketsa Zezi-pahitra masaka tsara sy malemy : 2 kg / m² Zezibazaha NPK : 30 g / m² Famafazana 1/Fatran’ny masomboly : ho an’ny tanimbary 1 ha: (1 kg @ masomboly = 4 kapoaka) Elanelana 25 sm x 20 sm : 30kg/ha na 3 kg/makazato Elanelana 25 sm x 15 sm : 35 kg/ha na 3,5 kg/makazato. 2/Fotoam-pamafazana : Ny volana Desambra ny fafy no tsara, farafahatarany fiandohan’ny Janoary azo antoka tsara ny fisian’ny rano @io fotoana io Raha ohatra mbola tsy mahazo rano ny tanim-bary dia tsy Taninketsa 10ara Lakan-drano 7m 1.5m 1.5m 1.5m 1.5m 5m Mandavaka lakan-drano Mandavaka sakany 20 sm fampidiran- drano ary mamatratra tany ampiasaina amin'ny fandravonana Tsy mety Tena Tsara

Fifantenana amin’ny rano Fitondrana zezika@ …...intsony ny rano avy eo. tokony mbola hanetsa. Lasa antitra ny zanabary ka manimba ny vokatra miakatra izany. Nefa raha azo antoka

  • Upload
    others

  • View
    28

  • Download
    0

Embed Size (px)

Citation preview

Page 1: Fifantenana amin’ny rano Fitondrana zezika@ …...intsony ny rano avy eo. tokony mbola hanetsa. Lasa antitra ny zanabary ka manimba ny vokatra miakatra izany. Nefa raha azo antoka

MASOMBOLY NOHATSARAINA SY VOAMARINA

Masomboly nohatsaraina : Mamokatra kokoa

Masomboly voamarina : Manaraka ireo

fepetran’ny masomboly tsara kalitao.

Ny fanovana masomboly dia atao isaky ny 3 taona

: FOFIFA : 020 54 08 114 ; CASTELLS : 034 18 356 71

SD Mad : 034 03 030 05 ; ANDRIKO : 033 02 811 10

SCAA : 034 01 419 21 ; CFAMA Abb : 034 04 196 54

Fifantenana amin’ny rano

Ho an’ny masomboly betsaka dia kororohina tsara ny

masomboly ary atao anaty rano madio tsara avy eo,

afangaro tsara amin’ny tanana ary esorina izay voa

mitsingevana ka ny voa sisa tavela izay mipetraka any

amin’ny fanambanin’ny daba ihany no azo antoka atao

masomboly.

Fampitsiriana

Mba Hanafainganana ny fitsirian’ny voambary, Mba

ahazoana zanaketsa mitovy habe ary hiara-hitombo sy

hitovy tantana tsara dia:

Alona anaty rano@ daba na rano mandeha mandritra

ny 2 andro farafahelany araka ny karazam-bary. Raha

amin’ny daba dia tsy maintsy soloina indray mandeha

farafahakeliny ny rano mba hisian’ny oxygène.

Ny masomboly dia mitsimoka ara-dalana ao anaty

ranomandeha. Ka Ny hafainganan’ny fitsiriana dia

miankina @ maripana. Ka noho izany dia tokony ho

jerena matetika ny fivoaran’ny masomboly.

Tsy atao anaty rano intsony ny voa ary aotrika amin’ny

toerana mafana mandrapaha- vaky vazana azy.

Mba hanamorana ny famafazana dia tsy tokony atao

mando be ny masomboly afafy

FIKARAKARANA NY TANINKETSA VITA SORITRA

o Hahamora ny fifehezana ny

rano amin’ny fampidirana

rano sy ny fandritana.

o Hampitovy tantana tsara

ny zanabary sy hahamora ny

fiavotana ary ny fikarakarana azy.

o Tokony asiana rano hatrany hatrany ny lakan-drano

o

Fitondrana zezika@ taninketsa

Zezi-pahitra masaka tsara sy malemy : 2 kg / m²

Zezibazaha NPK : 30 g / m²

Famafazana

1/Fatran’ny masomboly : ho an’ny tanimbary 1 ha: (1 kg @

masomboly = 4 kapoaka)

Elanelana 25 sm x 20 sm :

30kg/ha na 3 kg/makazato

Elanelana 25 sm x 15 sm :

35 kg/ha na 3,5 kg/makazato.

2/Fotoam-pamafazana :

Ny volana Desambra ny fafy no tsara, farafahatarany

fiandohan’ny Janoary azo antoka tsara ny fisian’ny rano

@io fotoana io

Raha ohatra mbola tsy mahazo rano ny tanim-bary dia tsy

Taninketsa 10ara

Lakan-drano

7m

1.5m

1.5m

1.5m

1.5m

5m → Mandavaka lakan-drano ↘

Mandavaka sakany 20 sm fampidiran-drano ary mamatratra tany ampiasaina amin'ny fandravonana

Tsy mety Tena Tsara

Page 2: Fifantenana amin’ny rano Fitondrana zezika@ …...intsony ny rano avy eo. tokony mbola hanetsa. Lasa antitra ny zanabary ka manimba ny vokatra miakatra izany. Nefa raha azo antoka

intsony ny rano avy eo.

tokony mbola hanetsa. Lasa antitra ny zanabary ka

manimba ny vokatra miakatra izany.

Nefa raha azo antoka ny fisian’ny rano (manana tobin-

drano lehibe sahala @ Sahamaloto sy ny PC15) dia fafy

Novambra no tena tsara

Rehefa vita ny fafy dia tandremana tsy ho difo-drano ny

taninketsa satria tsy ampy rivotra ka mety sempotra ny

zanabary na lo mihitsy aza.

Tabilaon’ny valim-pikarohana nataon’ny FOFIFA CALA tany

@ maille 4 ny PC23 tapany atsimo 2011-2012).

Raha mampiasa ketsa tanora, dia mahazo 4ton/ha na dia

fafy Janoary aza.

3/ Fandrakofana :

Rakofana vovo-jezika malemy

na bozaka ny taninketsa

aorian’ny fahavitan’ny fafy mba

hiaro ny masomboly @ tara-

masoandro mivantana sy ny

oram-be.

Esorina ilay bozaka afaka 3 na 4 andro.

Mba hiarovana ny zanabary amin’ny voalavo dia

afafy manodidina ny plasin’ny

taninketsa ny taimboraka

raha vao vita fafy ny zanabary

4/Zana-ketsa tanora

• 3 na 5 ravina na koa 15 ka hatramin’ny

30 andro no aketsa.

Ny fijanonan’ny zanabary ela loatra eny

an-taniketsa dia manome ketsa mahia sy

malemy ary malazolazo, indrindra

indrindra raha natao fafy matevina..

• Ny ketsa antitra dia tsy mananaka betsaka.

5/ Fisorohana :

-Rehefa hiroso amin’ny fanetsana dia

sorohina amin’ny angady ny zana-

bary fa tsy ongotana @ tanana mba

tsy ho tapaka ny faka mbola marefo,

ary aketsa avy hatrany.

FIKARAKARANA NY TANIMBARY

Fitondrana zezi-pahitra :

5 - 10t/ha, masaka tsara ary atao

lafik’asa.

Fihosena : atao malemy tsara mba hamonoana ny

ahidratsy ary haravona ho marin-drano tsara.

Fitondrana zezi-bazaha :

DAP : 100 kg/ha na

NPK : 200 kg/ha

Afafy alohan’ny fanetsana ary tsy ariana

FANETSANA TORA-TADY

-2 à 3 sm no halaliny

-1 na 3 isam-pototra no aketsa

Elanelana : 25 sm x 20 sm Na 25 sm x 15 sm

Hifehezana ny hatevin’ny ketsa (voarefy tsara ny elanelan’ny

ketsa na eo amin’ny tady na any ivelany)

Page 3: Fifantenana amin’ny rano Fitondrana zezika@ …...intsony ny rano avy eo. tokony mbola hanetsa. Lasa antitra ny zanabary ka manimba ny vokatra miakatra izany. Nefa raha azo antoka

Raha tany masaka dia atao ketsa manify, izany hoe elanelany

lehibe kokoa. Raha ketsa antitra dia atao ketsa matevina

izany hoe atao kely ny elanelana.

FIKARAKARANA

Fiavana

Fiavana voalohany :

15 andro aorian’ny fanetsana.

Fiavana faharoa :

15 andro aorian’ny fiavana

voalohany ary avy eo arahina

ava tanana.

Zezika fanampiny

Fampiasana DAP sy urée

Totalim-patra N-P-K : 60-45-0

kg/ha.

Lafika: 100kg de DAP (18–45–0),aorian’ny fanetsana

Voalohany : Urée 45 kg/ha, 1 volana aorian’ny fanetsana.

Faharoa : Urée 45kg/ha, fotoana mialohan’ny mandratsy

aina (izay miovaova arakaraka ny halavan’ny andro iainan’ny

karazam-bary MK34: eo ho eo @10 Marsa)

Mba ahitana sy ahafantarana moramora kokoa ny fotoana

mampandratsy aina ny vary dia tsara raha raisina an-tsoratra

aloha ny Karazam-bary atao, ny daty namafazana, ny daty

nitsiriany anisan’izany koa datin’ny tera-bary. Ilainao ny

fahafantarana izany rehetra izany indrindra raha tsy manova

karazam-bary ianao amin’ny taona manaraka

Rehefa 1-2 cm ny halavan’ny salohy (ilay eo afovoany

@sary ),amin’io no tena mahomby ny fitondrana zezika

fanampiny faharoa. Mba azahoana antoka fa ananaka be ny

vary dia tsy azo atao ambanin-javatra ny fôsifôro. Koa dia

tokony hatao toy ny zezika fototra. Azo atao koa ny manisy

urée (azota) kanefa @izay fotoana izay dia tsy mila manisy

fôsifôro intsony. Raha misy fiantraikan’ny tsy fahampian’ny

potasy dia tokony ovaina io fomba io

Fiantraikam-piasan’ny azote (N)

Fiantraikam-piasan’ny Fôsifôro(P)

Fisehon’ny tsy fahampiana P Vitsy ny isan-jana-bary.

Ny lokon’ny ravina dia maitso lomotra. Tsy dia misy

fiantraikany loatra na dia asiana urée aza

Tsy mahomby ny N raha tsy misy ny P

Tsy ampy

Antonony

Be loatra

Antonony Tsy ampy

90-0-0 (Urée) 90-45-0 (DAP+Urée)

Page 4: Fifantenana amin’ny rano Fitondrana zezika@ …...intsony ny rano avy eo. tokony mbola hanetsa. Lasa antitra ny zanabary ka manimba ny vokatra miakatra izany. Nefa raha azo antoka

Marihina fa ny taham-bokatra @ ankapobeny ao @ tanin’ny

PC 23 tapany atsimo dia 2500Kg/ha

Andrana nataon’ny FOFIFA CALA ny @ fatran’ny N tany

@maille 4 ny PC23 tapany atsimo 2011-2012 (PAPRiz dia

manoro 60kg/ha ny N)

Famokarana manara-penitra

Tokony esorina izay vary

hafa karazana mba

hamokarana vary manara-

penitra madio tsy misy

fangarony

FIJINJANA

Afaka miroso amin’ny fijinjana rehefa mahatratra

80 % na 2/3 ny salohy no masaka na mihamavo ny lokon’ny

tahony Mahomby kokoa ny mampiasa milina fivelezana sy

fikororohana vary noho ny fomba nahazatra hatramin’izay.

FIVELEZAM-BARY SY FIKOROROHANA

Fampiasana ireo fitaovana harifomba sy manara-penitra izay

hita eny amin’ny tantsaha mpamokatra sy eny amin’ny

CFAMA.

Fivelezam-bary Fikororohana

FOMBA FANAMASAHANA NY TANY

Mandritra ny ririnina :

Famerenena ny mololo ho eny an-tanimbary atao lafik’asa

Fambolena voly rakotra : vesce, dolique, etc

Fambolena voly avotra : tsaramaso, ovy, anana, etc

Fanampim-panazavana

Teknika fambolem-bary

Version 3 (Desambra. 2014)

DRDR Alaotra-Mangoro Tetik’Asa Fanatsarana ny Famokaram-bary

amin’ny Faritra Avo Anivon-tany

DRDR Alaotra Mangoro

034 43 331 37

033 19 613 86

033 05 760 36