38
G. Cutting Imprimé en France Bibles et Publications Chrétiennes 30, rue Châteauvert BP 335 F-26003 Valence cedex Fahazoana antoka ny famonjena sy ny fifaliana azo avy amin’izany

Fahazoana antoka ny famonjena sy ny fifaliana azo avy amin ...Moa tsy fahasoavana sy voninahitra tafatambatra ho amboara iray ve izany ? « Miaraha mankalaza an’i Jehovah amiko,

  • Upload
    others

  • View
    6

  • Download
    0

Embed Size (px)

Citation preview

Page 1: Fahazoana antoka ny famonjena sy ny fifaliana azo avy amin ...Moa tsy fahasoavana sy voninahitra tafatambatra ho amboara iray ve izany ? « Miaraha mankalaza an’i Jehovah amiko,

G. Cutting

Imprimé en France

Bibles et Publications Chrétiennes30, rue Châteauvert BP 335 F-26003 Valence cedex

Fahazoana antokany famonjena sy ny fifaliana azo avy amin’izany

Page 2: Fahazoana antoka ny famonjena sy ny fifaliana azo avy amin ...Moa tsy fahasoavana sy voninahitra tafatambatra ho amboara iray ve izany ? « Miaraha mankalaza an’i Jehovah amiko,

Fizahan-takila >

ISBN : 978-2-87907-379-8

Certitude et joie du salut

Couverture, illustration : Claire Gautier

Page 3: Fahazoana antoka ny famonjena sy ny fifaliana azo avy amin ...Moa tsy fahasoavana sy voninahitra tafatambatra ho amboara iray ve izany ? « Miaraha mankalaza an’i Jehovah amiko,

Fampidirana 7

Ny lalam-pamonjena 8

Ny fahazoana antokany famonjena 12

«Ahoana no ahazoako antokafa manana finoana marina tokoa aho?» 20

Ny fifaliana azoavy amin’ny famonjena 27

3

Page 4: Fahazoana antoka ny famonjena sy ny fifaliana azo avy amin ...Moa tsy fahasoavana sy voninahitra tafatambatra ho amboara iray ve izany ? « Miaraha mankalaza an’i Jehovah amiko,
Page 5: Fahazoana antoka ny famonjena sy ny fifaliana azo avy amin ...Moa tsy fahasoavana sy voninahitra tafatambatra ho amboara iray ve izany ? « Miaraha mankalaza an’i Jehovah amiko,

7

11.. 1 Timoty 1. Úƒ •• 22.. Matio 18. ÚÚ •• 33.. Ampitahao amin’ny Efesiana1. ÚÒ

Fampidirana

« Tonga tety ambonin’ny tany Kristy Jesoahamonjy ny mpanota»1, «hamonjy ny very»2.Izany no atao hoe Filazantsara.Izany no ilay «Filazantsaran’ny famonjena»3.

Zavatra telo loha no tsy maintsy mazava tsaraamintsika manoloana izany :1) Ny lalam-pamonjena2) Ny fahazoana antoka ny famonjena3) Ny fifaliana azo avy amin’ny famonjenaSamy hafa ny fototra iorenan’ireo endri-

pahamarinana telo ireo, na mifamatotra akaikydia akaiky aza izy ireo. Mety hahafantatra marinatokoa ny lalam-pamonjena ny olona anankiray,kanefa tsy mahazo antoka izy fa voavonjy. Ary,mety ho tsy mbola nanandrana ny fifaliana sy nyfahasambarana miara-dalana mandrakarivaamin’io fahazoana antoka ny famonjena io nyolona iray, na mahatsapa ny tenany ho efavoavonjy aza izy.Izany indrindra no mahatonga anay hiresaka

aloha, ety am-piandohana, mikasika :

Page 6: Fahazoana antoka ny famonjena sy ny fifaliana azo avy amin ...Moa tsy fahasoavana sy voninahitra tafatambatra ho amboara iray ve izany ? « Miaraha mankalaza an’i Jehovah amiko,

Ny lalam-pamonjena

Mahita fampianarana toa hafahafa ihany isika aoamin’ny Eksodosy toko faha-13, andininy faha-13.Hoy mantsy ny voalaza ao : « Ary ny voalohan-teraky ny boriky dia hosoloanao zanak’ondry ; faraha tsy hanolo azy ianao dia hofolahinao nyvozony ; ary ny lahimatoa rehetra amin’ny olonaeo amin’ny zanakao dia havotanao ». Maneho nyzavatra tsy maintsy atao ho famonjena nympanota izany fombafomba voasoratra taoamin’ny lalàn’i Mosesy izany.

Tahaka izany tsy misy hafa koa no anoloran’Andriamanitra ho antsika ny famonjena. Milampisolo isika. Rariny tokoa raha hianjeraamintsika ny fitsaràn’Andriamanitra, satria olo-meloka isika. Tsy misy lalam-pamonjena hafa hoantsika ankoatra ny fisoloana vaika ny ankalananataon’Ilay Iray izay nahita sitraka teoimason’Andriamanitra.

Eny, asehon’ny Tenin’Andriamanitra ny fombananoloran’Andriamanitra an’Ilay mpisolotoerana antsika. Tsy hafa io fa Ilay « Zanak’ondry », dia ny Zanany malalany, izay tonga tetyan-tany « hamonjy ny mpanota ». « Indro nyZanak’ondrin’Andriamanitra izay manaisotra nyfahotan’izao tontolo izao ! », hoy i Jaona

8

Page 7: Fahazoana antoka ny famonjena sy ny fifaliana azo avy amin ...Moa tsy fahasoavana sy voninahitra tafatambatra ho amboara iray ve izany ? « Miaraha mankalaza an’i Jehovah amiko,

tamin’ireo mpianany, raha nahatazana an’IlayMpamonjy tonga lafatra izy 4.

Nentina toy ireny « ondry hovonoina » ireny iKristy, raha niakatra an’i Kalvary. « Nijaly indraymandeha noho ny ota » tao amin’io toerana io Izy,« ny marina hamonjy ny tsy marina mba hitondraantsika ho amin’Andriamanitra »5. «Natolotranoho ny fahadisoantsika (Izy), ka natsanganaindray ho fanamarinana antsika »6. Natsangan’Andriamanitra i Kristy ho fanaporofoany nyfahafaham-pony tanteraka : vita ny asa fisoloam-boina.

Hitantsika amin’izany fa tsy manafoanavelively ny fahefàn’ny fahamasinany sy nyfahamarinany manoloana ny ota akoryAndriamanitra, raha toa Izy manaiky hanamarinany meloka (izany hoe raha toa Izy manaikyhanafaka an’ireo olo-meloka amin’ny alalan’nyfinoana fotsiny ihany an’i Jesoa). Ampiharinyhatrany ny sazy sahaza ny ota, ary tao amin’iJesoa no nanamparany izany. DerainaAndriamanitra noho Izy nahafoy ho antsikaan’izany Mpamonjy izany ; hoderaina anie Izynoho ny famonjena natolony !

« Mino ny Zanak’Andriamanitra va ianao ? »,hoy ny fanontaniana napetrak’i Jesoa tamin’ilay

9

44.. Jaona 1. ‡∞ •• 55.. 1 Petera 3. Úµ •• 66.. Romana 4. ‡ƒ

Page 8: Fahazoana antoka ny famonjena sy ny fifaliana azo avy amin ...Moa tsy fahasoavana sy voninahitra tafatambatra ho amboara iray ve izany ? « Miaraha mankalaza an’i Jehovah amiko,

10

77.. Jaona 9. Òƒ •• 88.. Salamo 34. Ò

jamba nahiratra 7. Izany ihany koa no fanon -taniana apetrany aminao ankehitriny.

« Eny », hoy ny avalinao. « Izy no hany tokanaazoko ametrahana ny tokiko, amin’ny mahampanota very sy voaheloka ahy. Eny, mino Azyaho ».

Afaka ny hilaza aminao izahay, raha izany novalinteninao, fa natao ho anao mihitsy koa ireotombontsoa rehetra entin’ny fahafatesan’i Kristy.

Famonjena mahagaga tokoa izany natolotr’Andriamanitra ho antsika izany ! Tena famonjen-dehibe, asa avo lenta mendrika ny mahaAndriamanitra ! Tafatambatra tao anatin’io asanataon’i Kristy io mantsy ny fahafaham-pon’Andriamanitra manoloana ny sazy henjanamendrika ny ota, sy ny voninahitry ny Zanany, aryny famonjena ahy. Moa tsy fahasoavana syvoninahitra tafatambatra ho amboara iray veizany ? « Miaraha mankalaza an’i Jehovah amiko,ary aoka hiara-manandratra ny anarany isika »8.

«Fantatro loatra, hoy ity olona anankiray, fa tsyafaka ny hitoky amin’ny tenako na oviana naoviana aho, ka izany no mampiankin-doha ahytanteraka amin’ny asa nataon’i Kristy. Kanefa,nahoana aho no tsy manana antoka akory fa efatena voavonjy marina tokoa ? Misy andro iray

Page 9: Fahazoana antoka ny famonjena sy ny fifaliana azo avy amin ...Moa tsy fahasoavana sy voninahitra tafatambatra ho amboara iray ve izany ? « Miaraha mankalaza an’i Jehovah amiko,

11

ahatsapako fa tena voavonjy marina tokoa aho.Maty indray anefa izany fahatsapana ao anatikoizany ny ampitso. Toy ny sambo atopatopan’nyrivo-mahery aho, ka tsy mahita intsony izaytoerana handatsahana ny vatofantsika ».Amin’izany indrindra, hoy aho, no mahadisoanao ! Tsy mbola renao mihitsy angamba ny hoetao an-tsambo ihany, hono, no nandatsahan’nykapitenin-tsambo ny vato fantsika. Ary tsyhaheno izany na oviana na oviana ianao ! Enyivelan’ny sambo mandrakariva no andatsahanany vato fantsika, izay mihazona ny sambo tsyhihetsika. Tahaka izany koa, avy eny ivelany nyantoka mihazona ny fahazoanao antoka nyfamonjena fa tsy ny fahatsapana mivadibadikaao anatinao !

Mety ho fantatrao tokoa fa ny fahafatesan’iKristy no hany lalana nosokafan’Andriamanitrahahazoana ny famonjena. Saingy, mety hihevitrakoa ianao fa ny fahatsapana ao anatinao nomanome anao ny fahazoana antoka, na tsia, nytena fanananao izany famonjena izany.

Izany indrindra no anehoanay aminao indrayizao, amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitraihany, hoe ahoana moa no anomezan’Andriamanitra antoka feno ny olona iray favoavonjy marina tokoa izy.

Page 10: Fahazoana antoka ny famonjena sy ny fifaliana azo avy amin ...Moa tsy fahasoavana sy voninahitra tafatambatra ho amboara iray ve izany ? « Miaraha mankalaza an’i Jehovah amiko,

12

Ny fahazoana antoka ny famonjena

Hamaky andininy anankiray indray isika eto. Ityandininy ity no mampianatra antsika hoe ahoanamoa no ahazoan’ny mpino antoka fa mananafiainana mandrakizay izy, izany hoe voavonjymarina tokoa. Mialoha ny tena hamakiana azy ityanefa dia tianay ny hitatitra an’io andininy io eto,araka izay fandraisan’ny olona ny heviny rehefamamaky azy io izy. Toy izao no hevitra ao an-tsain’ny olona rehefa mamaky ity andinin-tSoratra Masina ity izy :

« Efa nomeko anareo ny hahatsiaro hosambatra, dia ho anareo izay mino ny Zanak’Andriamanitra, mba ho fantatrareo fa mananafiainana mandrakizay ianareo ». Sokafy amin’izayary ny Baibolinao izao, ka ampitahao amin’izayvoasoratra ao amin’ilay Tenin’Andria manitra tsymiova izany teny izany. Ao amin’ny 1 Jaona 5. ÚÒ noahitantsika an’io teny nodisoina io. Ny toy izao novoasoratra ao : « Izany no nosoratako aminareoizay mino ny Zanak’Andria manitra, mba hofantatrareo fa manana fiainana mandrakizayianareo ».

Ahoana moa no nananan’ireo lahimatoarehetra teo amin’ny zanak’Isiraely antoka fa hovoaaro tokoa izy ao anatin’ilay alin’ny Paska, izay

Page 11: Fahazoana antoka ny famonjena sy ny fifaliana azo avy amin ...Moa tsy fahasoavana sy voninahitra tafatambatra ho amboara iray ve izany ? « Miaraha mankalaza an’i Jehovah amiko,

13

99.. Eksodosy 12

hilatsahan’ny fitsaràn’Andriamanitra ao amin’nytany Egypta manontolo ?9

Ndeha ataontsika hoe anisan’ny tany Egyptakoa isika tamin’io fotoana io. Dia niditra taoamina tokantrano roa samy nisy Isiraelita, hono,isika. Raha niditra tao amin’ny tokantranovoalohany isika, indreo Isiraelita mihorohoron’nytahotra no hitantsika.

– Fa nahoana ianareo no mivarahontsana toyizao ? hoy ny fanontaniana apetratsika amin’izyireo.

– Fa tsy fantatrao angaha ! hoy ny avalin’ilayzanaka lahimatoa, ho avy hitety ny tanànamanontolo anie ilay anjely mpandringana e !…Tsy fantatro izay hanjò ahy, ka izany no maharano an-dravina ahy… Rehefa avy nandalo nytranonay ilay anjely mpandringana, ka nieren-doza aho, izay aho vao hahazo toky fa tsara arotokoa. Saingy, tsy afaka ny tsy hitebiteby mihitsyaho mialoha izany ! …Nilaza taminay ihany ryzareo mpifanolo-bodirindrina fa mahazo antoka,hono, izy ireo fa tsy hahazo azy ny loza ; kanefa,fahasahisahiana tafahoatra ihany nofandraisanay izany fihetsik’izy ireo izany ! Nyhany azoko atao mandritra ity alina toa lava dialava sy alina mampihorohoro ity, dia ny

Page 12: Fahazoana antoka ny famonjena sy ny fifaliana azo avy amin ...Moa tsy fahasoavana sy voninahitra tafatambatra ho amboara iray ve izany ? « Miaraha mankalaza an’i Jehovah amiko,

14

mivavabavaka mafy hoe enga anie ka tsy hisy nainona na inona hitranga amiko.

– Oadray, fa angaha moa tsy efa nanomanaizay fomba hamonjena ny vahoakany amin’ioalina io Ilay Andriamanitry ny Isiraely ? hoy indrayny fanontaniana apetratsika amin’io lehilahy io.

– Eny e, hoy ny avaliny, ary efa nataonay tokoaizay nasainy natao. Efa nafafinay tamin’ny‘hysopa’ ho amin’ny tolam-baravarana ny ran-janak’ondry feno herintaona sy tsy misy kilema.Kanefa, tsy ampy hampitony ny tebitebinayizany, tsy ampy hahazoanay antoka ny hahavoaaro anay marina tokoa !

Ndeha avelantsika eo ny amin’ireo Isiraelitamahantra, mandry an-driran’antsy, sy tsymanana antoka ireo. Ndeha isika hiditra indrayao amin’ilay tokantrano faharoa.

Fifanoherana goavana no hita ! Fiadanana noindro hita soritra eny amin’ny endrik’izymianakavy ao an-trano. Eo am-pitsanganana nyrehetra, ny valahana voafatotra amin’nyfehinkibo, ny tehiny eny an-tanany, ary indreo izyrehetra samy mihinana ny zanak’ondry natono.

Nahoana àry izy ireto no milamin-tsaina aokaizany ao anatin’ity alina miavaka ity ?

– Ny baikon’ny Tompo no hany sisa andrasanaydia hiainga izahay, hoy izy ireo. Hataonay veloma

Page 13: Fahazoana antoka ny famonjena sy ny fifaliana azo avy amin ...Moa tsy fahasoavana sy voninahitra tafatambatra ho amboara iray ve izany ? « Miaraha mankalaza an’i Jehovah amiko,

15

hatreo ny kapoka tsy misy antra sy nyfanandevozan’i Egypta.

– Kanefa…, hoy ianao, moa hadinonareo fahilatsaka amin’ity tanàna ity anie ny fitsaràn’Andriamanitra amin’izao alina izao e !

– Fantatray tokoa izany, saingy efa tsara aro nyzanakay lahimatoa ! Efa nofafazanay rà ny tolam-baravaranay, araka izay nasain’Andriamanitranataonay.

– Ary nanao toy izany koa ireo olona mipetrakaato akaikinareo, hoy ianao, kanefa mbolamiahiahy fatratra ihany izy ireo, tsy azony antokany hamonjena azy ; ianareo anefa ireto toa tsaratoky ery !

– Eny, hoy ny avalin’ilay lahimatoa amim-pahatokiana fatratra, saingy ankoatra nyfamafazana ny rà dia mbola anananay koa nyTenin’Andriamanitra tsy mivadika. Hoy mantsyny nambaran’io Tenin’Andriamanitra io : « Rehefamahita ny rà Aho dia handalo anareo ».Hampitony an’Andriamanitra ny fahitana ny ràeo ivelan’ny tranonay. Ny Tenin’Andriamanitrakosa no ifikiranay rehetra ao anatin’ny trano, kamahamafy orina ny tokinay !

Aro ho antsika ny rà nafafy.Antoka ho antsika kosa ny Tenin’Andriamanitra.Moa misy zavatra hafa ankoatra ny

famafazana rà ve ho aro ho antsika ? Ary moa

Page 14: Fahazoana antoka ny famonjena sy ny fifaliana azo avy amin ...Moa tsy fahasoavana sy voninahitra tafatambatra ho amboara iray ve izany ? « Miaraha mankalaza an’i Jehovah amiko,

16

1100.. Jaona 6. ∂¬

misy antoka tsara kokoa ho antsika noho ny Tenyizay niloaka ny vavan’Andriamanitra ve ? Tsia.

Eto àry ry mpamaky malala dia mamelà anayhametraka izao fanontaniana iray izao aminao :« Iza amin’ireo tokantrano roa ireo no heverinaoho tena nahazo toky fa tsara aro tokoa ? « Rahahamaly ianao hoe ilay faharoa, izay niadana synandry fehizay, dia diso ianao. Samy voaaroavokoa mantsy na ny tao amin’iry voalohany nany tao amin’ity faharoa. Ny fahitan’Andriamanitra ny rà teo ivelan’ny trano noniankinan’ny fiarovana azy, fa tsy izay toe-pon’nyolona tao anatin’ny trano.

Koa, aoka isika tsy hitoky amin’ny fihetseham-po ao anatintsika ao. Izay ambaran’ny Tenin’Andriamanitra henoina, dia izay ambaran’i JesoaIzy tenany manao hoe : « Lazaiko aminareomarina dia marina tokoa : izay mino (Ahy) nomanana fiainana mandrakizay » 10.

Ndeha handray ohatra hafa indray isika, ohatraamin’izay fahitantsika eo amin’ny fiainanaandavanandro.

Tsy ampy ny vilona fanomen’ity mpiompyanankiray ny biby fiompiny, ka nanao taratasyfangatahana tanim-bilona iray hohofàny izy.Nanakaiky indrindra ny trano fonenany no nisy

Page 15: Fahazoana antoka ny famonjena sy ny fifaliana azo avy amin ...Moa tsy fahasoavana sy voninahitra tafatambatra ho amboara iray ve izany ? « Miaraha mankalaza an’i Jehovah amiko,

17

an’io tanim-bilona io. Nandeha ny fotoana… tsymbola nandrenesam-baliny ihany ny tompon’ilaytanim-bilona. Indray andro, tafaresaka tamin’nyiray tamin’ireo mpiara-monina taminy izy, kanilazan’io hoe : « Azoko antoka fa ho azonaomihitsy io tanim-bilon’Andriamatoa Rakoto io. Tehanao soa aminao mantsy Ingahy Rakoto, rahany fahitako azy, satria mampanontany ahy foanany momba anao izy, ny vaovaonao, sy ny sisa. Tsysasatra mihitsy izy mampitondra mampamangyho anao ! » Dia indro fa velombelom-bolo ery ilaympiompy mandre izany.

Ny andro iray hafa, inty olon-kafa indray, izaympiray tanàna aminy ihany koa, no tafahaonataminy. Hoy indrindra ny filazany : « Manahymafy aho ry Ingahy fa tsy ho azonao mihitsy iotany io. Nangataka azy io koa mantsy IngahyRalay, ary iaraha-mahalala fa mifankahazo tsaraamin’Ingahy Rakoto izy, mahavatra maman -givangy azy izy, sy ny sisa ». Dia indro fa very an-javony teo indray ny fanantenan’ilay mpiompyefa mba nihiratra teo. Mivaivay ny fanantenanyandroany, fa velom-panahiana indray izyrahampitso.

Kinanjo, inty ny mpitondra taratasy avynanatona ny tranon’Ingahy mpiompy… nanolotrataratasy ho azy izy. Fantatr’ity mpiompy avyhatrany fa soratr’Ingahy Rakoto tompon’ny tany

Page 16: Fahazoana antoka ny famonjena sy ny fifaliana azo avy amin ...Moa tsy fahasoavana sy voninahitra tafatambatra ho amboara iray ve izany ? « Miaraha mankalaza an’i Jehovah amiko,

1111.. Salamo 119. µ∞ •• 1122.. Nomery 23. Ú∞

18

nanaovany fangatahana io. Nosokafanyhaingana ny valopy. Miramirana tery ny tarehiny :« Izao aho vao mahazo antoka tanteraka, hoy izytamin-dRamatoa vadiny. Nanoratra IngahyRakoto tompon’ny tany fa azoko ampiasainamandritra ny fotoana hilako azy ny tany, ary tsysarotra koa ny fepetra notakiny. Tsy ahoakointsony izay ho vavan’ny olona ; izy tomponymihitsy izao no efa nampanantena ahy ! ».

Firifiry moa ny olona misedra zavatra toy izaynanjò an’ity mpiompy ity ! Ny vavan’olona etsy syeroa, izay tsy marina akory, no mampitebitebyazy ! Ny fihevitry ny fony feno fitaka nomampikorontan-tsaina azy ! Ny fandraisanaan’izay ambaran’Andriamanitra ao amin’nyTeniny no hany hampisinda ny ahiahy, kahanome antoka feno. Marina Andriamanitra, namilaza ny fanamelohana ho an’ireo tsy mino Izy,na manambara ny famonjena ho an’izay mino.« Ho mandrakizay Jehovah ô no nanorenanao anyan-danitra ny teninao » 11. « Moa efa nilaza va Izy,ka tsy nefainy ? Na efa niteny va Izy ka tsyhotoviny ? » 12.

Page 17: Fahazoana antoka ny famonjena sy ny fifaliana azo avy amin ...Moa tsy fahasoavana sy voninahitra tafatambatra ho amboara iray ve izany ? « Miaraha mankalaza an’i Jehovah amiko,

19

Inona intsony no ndeha hampanahy,Moa mbola ilaiko ny hiantsampy any an-kafa?Ampy hampitony sy antoka ho ahyIlay rà nikoriana namafa ny lasa.

Mety hanontany indray angamba ianao izaohoe :

Page 18: Fahazoana antoka ny famonjena sy ny fifaliana azo avy amin ...Moa tsy fahasoavana sy voninahitra tafatambatra ho amboara iray ve izany ? « Miaraha mankalaza an’i Jehovah amiko,

20

«Ahoana moa no ahazoako antoka famanana finoana marina tokoa aho?»

Tokana ihany no valin’izany fanontaniana izany :« Moa amin’ilay Olona iray izay Marina ve noanankinanao ny fitokisanao, izany hoe aoamin’Ilay Zanaka malalan’Andriamanitra ? »

Tsy ny haben’ny finoanao no ilaina, fa ny mahamahatoky an’ilay Olona izay ametrahanao nytokinao. Misy olona mitampikitra mafy amin’iKristy, toy ny fitampikitry ny olona tsy mahaymilomano latsaka an-drano amin’ny tanan’nyolona tonga hamonjy azy ; misy kosa mikasikafotsiny ihany ny moron’akanjon’i Jesoa. Dia hilazave ianao hoe iry mitampikitra be no mananaantoka kokoa, noho ilay nikasika fotsiny nymoron-dambany ? Mitovy ihany ny zavatratsapan’ireo karazan’olona roa ireo. Samymahatsapa izy ireo fa mandiso fanantenana azymandrakariva izay zavatra avy amin’ny tenanyihany ; ao amin’i Kristy no mendrikahametrahana ny toky. Afaka ny hanankim-potanteraka amin’ny tenin’i Kristy izy, ary afaka nyhandry fehizay noho ilay asa vitan’i Kristy, izayampy hatramin’ny mandrakizay. Izany nodikan’ny hoe mino an’i Jesoa : « Lazaiko aminareo

Page 19: Fahazoana antoka ny famonjena sy ny fifaliana azo avy amin ...Moa tsy fahasoavana sy voninahitra tafatambatra ho amboara iray ve izany ? « Miaraha mankalaza an’i Jehovah amiko,

21

1133 Jaona 6. ∂¬ •• 1144 Galatiana 6. Ú‡

marina dia marina tokoa : Izay mino (Ahy) nomanana fiainana mandrakizay » 13.

Aoka isika hitandrina ndrao hanankim-poamin’ny asa, na amin’ireo fombafombam-pivavahana, na amin’ny fitsaran-tena hompivavaka, na amin’ny fanabeazana ara-pivavahana azo fony fahakely. Ho any amin’nyfahaverezana mandrakizay ihany isika, namandala ireny zavatra ireny aza, kanefa tsy metymiroso amin’ny tena finoana. Aza manaikyhofitahin’ireo fihetsika ivelany, izay tondroin’nyTenin’Andriamanitra hoe « tsara amin’nynofo » 14.

Ao amin’ny Filazantsara no ampahafan -taran’Andriamanitra antsika an’i Jesoa Kristy.« Ity no Zanako malalako Izay sitrako », hoyindrindra ny filazany Azy. Ambaran’Andriamanitra fa azonao atao ny mametraka nytokinao manontolo amin’io Zanany io. Tsy hoazonao atao na oviana na oviana kosa ny hitokyamin’ny fonao.

« Tena mino Azy marina tokoa aho, hoy ityzazavavy iray voagejan’ny tahotra, indray andro.Rehefa anontaniana anefa aho hoe ‘azonaoantoka ve fa voavonjy tokoa ianao ?’, dia tsy sahymilaza mihitsy aho hoe ‘eny’. Matahotra aho

Page 20: Fahazoana antoka ny famonjena sy ny fifaliana azo avy amin ...Moa tsy fahasoavana sy voninahitra tafatambatra ho amboara iray ve izany ? « Miaraha mankalaza an’i Jehovah amiko,

22

mantsy ndrao mandainga ». Zanaky ny mpivaron-kena tao amin’ny tanàna kely anankiray iozazavavy io. Andro tsena indrindra moatamin’izay ka mbola tsy tafaverina tao an-tranony rainy. Hoy aho namaly azy :

– Ndeha hataontsika hoe tonga, hono, nyrainao, ka nanontany azy ianao hoe : ‘Firy nyondry novidianao tany an-tsena, ry dada ?’,hamaly anao izy hoe : ‘Folo, anaka’. Dia nisympividy anankiray àry nanontany anao hoe : ‘Firyny ondry novidin-drainao androany ry Ikalakely ?’,hamaly ianao hoe : « Tsy sahy hilaza izany aminaoaho, ndrao mandainga ! ».

– « Manao ny rainao ho mpandainga izanyianao », hoy ny reniny menamenatra raha nandreizany.

Ry mpamaky, hitanao amin’izany famampandainga an’Andriamanitra ity zazavavyity raha tsy sahy namaly hoe ‘eny’, na afaka nynanao izany tokoa aza izy, rehefa nanontanianany amin’ny fahazoany antoka ny famonjena.Nampandainga an’Andriamanitra izy tamin’nynilazany hoe : « Eny, mino ny Zanak’Andriamanitra aho, ary nanambara tamiko tokoaIzy fa manana fiainana mandrakizay aho. Tsysahiko hitompoana teny fantatra anefa nyamin’izany. Matahotra aho mantsy ndraomandainga ».

Page 21: Fahazoana antoka ny famonjena sy ny fifaliana azo avy amin ...Moa tsy fahasoavana sy voninahitra tafatambatra ho amboara iray ve izany ? « Miaraha mankalaza an’i Jehovah amiko,

23

« Kanefa, hoy indray ny olona iray hafa, ahoanamoa no ahazoako mitompo teny fantatra famanana finoana marina tokoa aho ? Manandranany hino aho, matetika, ary miezaka ny hahazoantoka izany ao anatiko lalina ao ; arakaraka nyhisaintsainako ny amin’ny finoako anefa no toaahatsapako fa tsy manana finoana aho ». Rysakaiza, mipenimpenina any amin’ny lalan-disoianao, raha izany. Arakaraka ny hiezahanao hinono mainka hampihanjahanja fa tafavily hoamin’ny lalan-diso ianao.

Ndeha isika handray ohatra iray hafa indray :Raha iny nipetrapetraka tao an-trano iny ianao

no injao nisy nandona tao am-baravarana. Ny irayamin’ireo mpiray tanàna aminao io, ary ny hilazany vaovao ratsy vao henony tamin’ny onjam-peoteo no niaviany. Malaza ho mpanatavy resaka sympandainga anefa io olona io. Moa hino izayambarany anao ve ianao ?

– Tsia, tsy hino izay ambarany mihitsy aho, hoyianao.

– Fa nahoana kosa re ?– Satria fantatro loatra io olona io.– Hay ve ! Kanefa… lazao ahy : ahoana moa no

ahazoanao antoka fa tsy marina izaynambaran’io olona io, ary tsy afaka ny hino izanyianao ? Moa noho ny fahalalanao ny tenanao ve,

Page 22: Fahazoana antoka ny famonjena sy ny fifaliana azo avy amin ...Moa tsy fahasoavana sy voninahitra tafatambatra ho amboara iray ve izany ? « Miaraha mankalaza an’i Jehovah amiko,

24

moa noho ny fahatsapana ao anatinao, na ny toe-poanao ve ?

– Tsia, hoy ny avalinao, tsy mahatoky tsotraizao an’io olona nilaza vaovao tamiko teo io aho,ka izany no tsy ninoako avy hatrany izaynambarany.

Nony afaka kelikely, injao nisy namana niantsoanao an-tarobia, ary nanamafy an’ilay vaovaorenao teo.

Nilaza indray ianao teto hoe :– Mino amin’izay aho izao, satria ianao no

nilaza izany tamiko.– Ahoana moa no ahazoanao antoka fa marina

ny zavatra nambaran’io namanao io, ary matokyizany tanteraka ianao ?

– Satria fantatro loatra izy, hoy ianao ; tsymbola namitaka ahy mihitsy io namako io, nosady tsy hanao izany na oviana na oviana.

Toy izany tsy misy hafa koa no ahazoakoantoka fa mino ny Filazantsara marina tokoa aho.Mino aho satria fantatro tsara Ilay Olona nitatitratamiko ny vaovao. « Raha mandray nyfanambaràn’olona isika, lehibe lavitra noho izanyny fanambaràn’Andriamanitra ; fa ny fanam -baràn’Andriamanitra dia ny nanambaràny nyZanany. Izay mino ny Zanak’Andriamanitra nomanana ny fanambaràna ao anatiny, izay tsy

Page 23: Fahazoana antoka ny famonjena sy ny fifaliana azo avy amin ...Moa tsy fahasoavana sy voninahitra tafatambatra ho amboara iray ve izany ? « Miaraha mankalaza an’i Jehovah amiko,

25

1155.. 1 Jaona 5. ∞-Ú† •• 1166.. Romana 4. Ò

mino an’Andriamanitra dia efa nampandaingaAzy, satria tsy mino ny fanambaràna izaynambaran’Andriamanitra ny Zanany izy » 15. « AryAbrahama nino an’Andriamanitra ka dia nisainaho fahamarinany izany » 16.

Hoy ity olona iray feno tahotra raha nanontanyan’ity mpitory Filazantsara, indray andro : « Tsyafaka ny hino mihitsy aho tompoko ! » « Marinahoe ? Ka iza hono ity tsy ho azonao inoanamihitsy ? » Nanapaka ny fientanam-pon’ilayRamatoa io valinteny io. Raisin’ny olona ho toy nyfahatsapana tsy hay tantaraina sy saro-bakina nyfinoana. Raisiny ho toy ny fahatsapana anatymba hahazoana antoka fa ho any an-danitrafotsiny ihany izany. Miantombina amin’nyzavatra eny ivelany mandrakariva anefa nyfinoana. Mifantoka amin’Ilay Zanak’Andriamanitra velona, sy ny asa nataon’io Zanak’Andriamanitra io ny finoana. Mifototra amin’nyfandraisana an’izay rehetra nambaran’IlayAndriamanitra mahatoky mikasika an’io Zananyio izany finoana izany. Ny fibanjinana an’Ilay enyivelan’ny tena no mitondra ny fiadanana ho aoanaty. Lasa ao aoriany ny aloky ny olona irayrehefa manatrika ny masoandro izy : tsy afaka nysady hijery ny tenanao ianao no hibanjina ihany

Page 24: Fahazoana antoka ny famonjena sy ny fifaliana azo avy amin ...Moa tsy fahasoavana sy voninahitra tafatambatra ho amboara iray ve izany ? « Miaraha mankalaza an’i Jehovah amiko,

26

koa an’Ilay Kristy nomem-boninahitra any an-danitra.

Eny, mendrika ny hametrahako ny fitokisakotokoa Ilay Zanak’Andriamanitra. Manome antokasy fiarovana tanteraka ho ahy mandrakizay nyasa vitany. Manome fahazoana antoka tsy azohozongozonina ato anatiko, izay ambaran’Andriamanitra mikasika an’ireo rehetra minoAzy. Ao amin’i Kristy sy ny asa nataony no ahitakony lalam-pamonjena, ary ny Tenin’Andriamanitrakosa no mampahafantatra ahy fa voavonjy aho.

Kanefa, mety hanontany indray angambaianao mpamaky izao hoe : « Raha voavonjy aho,nahoana àry no mbola miovaova be ihany nyzava-mitranga eo amin’ny fiainako ? Matetika nomiala amiko ny hafaliako ary mainka mahonenanoho ny nisy ahy talohan’ny fiovam-poko aza nytoerana misy ahy, indraindray ! ».

Izany fanontaniana izany no hitarikaantsika ho amin’ilay fahamarinana fahatelo :

Page 25: Fahazoana antoka ny famonjena sy ny fifaliana azo avy amin ...Moa tsy fahasoavana sy voninahitra tafatambatra ho amboara iray ve izany ? « Miaraha mankalaza an’i Jehovah amiko,

27

1177.. Galatiana 5. ‡‡

Ny fifaliana azo avy amin’ny famonjena

Voavonjy isika tamin’ny alalan’ilay asa nataon’iKristy teo amin’ny hazofijaliana. Mahazo antokatanteraka ny fananana izany famonjena izanyisika, amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra. NyFanahy Masina izay tonga monina ao anatin’nympino tsirairay avy no mampianoka azy aoanatin’ny hafaliana sy ny hasambarana entin’nyfamonjena.

Tsarovy hatrany anefa izay ambaran’ny SoratraMasina : mbola ao anatin’ireo olom-boavonjyihany ny nofo, izany hoe ilay toetra mahampanota, ilay toetra ratsy nolovainy hatramin’nyfahaterahany ara-nofo, ka efa nisehohatramin’ny fotoam-pahazazany. Ny FanahyMasina izay nomena ny mpino, ka mitoetra aoanatiny, no manohitra ny nofo. Malahelo ioFanahy io isak’izay miseho ao amin’nyfisainantsika, amin’ny asantsika, amin’nytenintsika, ny asan’ny nofo.

Mamoa an’ireo voa tsara vokarin’ny FanahyMasina ao anatiny ny mpino, rehefa mandeha« mendrika ny Tompo » izy : « fitiavana, fifaliana,fiadanana, sns » 17. Malahelo kosa ny Fanahyrehefa mandeha araka ny nofo sy manaraka ny

Page 26: Fahazoana antoka ny famonjena sy ny fifaliana azo avy amin ...Moa tsy fahasoavana sy voninahitra tafatambatra ho amboara iray ve izany ? « Miaraha mankalaza an’i Jehovah amiko,

28

1188.. Asa 9. ÒÚ ; 13. ƒ‡

filàn’izao tontolo izao ny mpino, hany ka tsy hitaeo aminy ireo vokatry ny Fanahy ireo.

Ndeha hofehezintsika toy izao izany :– miara-dalana ny asan’i Kristy sy ny

famonjena anao, ka na izy ireo miara-ao namiara-tsy ao ;

– miara-dalana toy izany koa ny fandehananaoaraka izay ankasitrahan’Andriamanitra sy nyfifaliana, ka na izy ireo miara-ao na miara-tsy ao.

Foana ny famonjena antsika raha levona ny asanataon’i Kristy (soa fa tsy hitranga mihitsy izany,noho ny fahasoavan’Andriamanitra !). Tsy hovanona ny fifaliana vokarin’ny fandraisantsika nyfamonjena, raha tsy araka ny tokony ho izy nyfamindra amam-pitondrantenantsika. Izany noantony nilazana fa nandeha tamin’ny faha -tahorana ny Tompo sy ny famporisihan’nyFanahy ireo mpianatra voalohany. Ambara indraykoa any amin’ny andininy hafa fa : « feno fifalianasy feno ny Fanahy Masina ny mpianatra » 18.Mifandanja amin’izay ho toetry ny fandehan -tsika, na ny fitondrantenantsika, aorian’nyfiovam-pontsika, ny fananantsika fiainana fenofifaliana.

Moa tsapanao ve fa misy zavatra roa loha tenasamy hafa mihitsy, kanefa afangaronao

Page 27: Fahazoana antoka ny famonjena sy ny fifaliana azo avy amin ...Moa tsy fahasoavana sy voninahitra tafatambatra ho amboara iray ve izany ? « Miaraha mankalaza an’i Jehovah amiko,

29

tanteraka ? Tsy inona izany fa ny amin’ilayhafaliana azonao vokatry ny fahazoana nyfamonjena, sy ny maha tsara antoka nyfamonjena efa noraisinao. Ny Fanahy Masina noampalahelovintsika rehefa mamela nyfahatezerana hahazo laka ao anatintsika isika, narehefa miaina indray araka izao tontolo izao, sns.Voasembantsembana ilay zara fifaliantsikaamin’izay fotoana izay. Mihevitra anefa isika eofa mihozongozona ilay famonjena efavoaraintsika !

Tsarovy fa :– ny asa nataon’i Kristy no antoky ny

famonjena antsika– ny teny nambaran’Andriamanitra no antoky

ny fahazoantsika antoka an’izany famonjenanoraisintsika izany

– ny fananantsika fiainana feno fifaliana kosadia miankina amin’izay ho toetry nyfitondrantenantsika, izay mety hanomevoninahitra na hampalahelo ny Fanahy Masinamitoetra ao anatintsika.

Tapaka ny fiombonana aina amin’Andriamanitra Ray sy amin’ny Zanaka, amin’nyfotoana anaovantsika zavatra mampalahelo nyFanahy Masin’Andriamanitra, na dia zanak’Andriamanitra aza isika. Tsy hiverina iofifandraisana io raha tsy aorian’ny

Page 28: Fahazoana antoka ny famonjena sy ny fifaliana azo avy amin ...Moa tsy fahasoavana sy voninahitra tafatambatra ho amboara iray ve izany ? « Miaraha mankalaza an’i Jehovah amiko,

30

hahatsapantsika tena, ka hibabohantsika nyheloka vitantsika.

Nanao hadisoana ny zanako. Hita soritra tenyamin’ny endriny fa misy zavatra tsy mandehaamin’ny laoniny eo amin’ny fiainany. Niresakatsara tamiko izy antsasak’adiny mialoha izaotrangan-javatra izao. Zaza feno toky aok’izany noniresaka tamiko. Niova vetivety teo anefa nyzava-drehetra. Indro izy midongy sy mampisehoendrika mahonena ery an-joron-trano. Nitenymazava taminy aho tamin’izay fa hamela azy,raha miaiky ny fahadisoana nataony izy.Misakana azy tsy hanao izany anefa ny hambom-pony sy ny kiriny.

Nankaiza ilay fifaliana hita soritra teo aminyvao tsy ela akory teo ? Very an-javony foana teo.Nahoana ? Satria tapaka ny fiombonana aina nisyteo aminay mianaka. Kanefa, moa tapaka niarakatamin’izany koa ve ny fifandraisana amin’nymaha ray sy zanaka nisy teo amiko sy io zanakoio, antsasak’adiny taty aoriana ? Tsia. Mbolamitoetra ihany ilay rohim-pihavanana misy eoaminay mianaka. Rohim-pifandraisana saro-bahana mantsy io, satria azo tamin’ny alalan’nyfahaterahana. Miankina tanteraka amin’izay hofitondrantenan’io zanako io kosa ny fiombonanaaina misy eo aminay mianaka.

Page 29: Fahazoana antoka ny famonjena sy ny fifaliana azo avy amin ...Moa tsy fahasoavana sy voninahitra tafatambatra ho amboara iray ve izany ? « Miaraha mankalaza an’i Jehovah amiko,

31

1199.. Salamo 51. Ú‡ •• 2200.. 1 Jaona 1. ∞

Rehefa afaka kelikely, inty ilay zaza niala teryan-joron-trano, vonombonona aoka izany, nosady torotoro fo. Nahatsapa ny hadisoany rehetraizy. Hitantsika amin’izany fa halany ihany koa,manoatra lavitra noho ny fankahalantsika azy, nyfaharatsiany sy ny tsy fankatoavany. Nofihinikoizy ary norohako. Indro fa niverina taminy indrayilay hafaliany teo, satria voarina ilay fiombonanaaina tapaka nandritra ny fotoana fohy.

Taorian’ilay fahotana mahatsiravina vitan’iDavida tamin’ny vadin’i Oria dia tsy nilazamihitsy izy nanao hoe : « Ampodio amiko nyfamonjenao », fa hoy izy : « Ampodio amiko nyfifaliana amin’ny famonjenao » 19.

Voasembantsembana ilay fiombonana ain’nympino amin’Andriamanitra, isak’izay manota izy.Voatohintohina ilay hafaliany mandra-piverenany amim-po torotoro amin’Ilay Rainy, kahiaikeny ny helony. Hahatsapa ho voavela helokaizy, raha toa ka inoany ny teny izay nambaran’Andriamanitra. Milaza mazava mantsy ioTenin’Andriamanitra io fa : « Raha miaiky nyfahadisoantsika isika dia mahatoky sy marina Izyka mamela ny fahotantsika sy manadio antsikaho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra » 20.

Page 30: Fahazoana antoka ny famonjena sy ny fifaliana azo avy amin ...Moa tsy fahasoavana sy voninahitra tafatambatra ho amboara iray ve izany ? « Miaraha mankalaza an’i Jehovah amiko,

32

Tokony tsy hohadinoin’ireo zanak’Andriamanitra mandrakariva ireo fahamarinanaroa loha mifameno ireo : tsy misy mahazaka tsaraholana ka saro-bahana toy ny rohim-pihavanana(ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra Rayamin’ny maha zanaka antsika), ary tsy misymarefo ka mora miboraka toy ny rohim-piombonana (ny fiombonantsika aina amin’nyRay sy ny Zanaka). Tsy haharava an’iry voalohanyna ny herin’izao tontolo izao sy ny herin’i Satanaindray mitambatra aza ! Fisainana kely tsyvoahevitra sy teny tsy mendrika indraim-bavafotsiny anefa dia efa ampy hampitsahatra ityfaharoa.

Faingàna, manetre tena eo anatrehan’Andriamanitra vantany vao tsapanao fa misyzavatra tsy mazavazava manembatsembana nyfiainanao. Diniho ny famindra amam-pitondrantenanao. Ibabohy amin’AndriamanitraRaintsika ny fahadisoanao, vantany vao fantatraony mpangalatra nandroba an’ilay fifaliana taoanatinao. Ekeo fa nanao tsirambina sy tsyniambina ianao ka nanome lalana ny Fahavalohitsofoka. Tandremo anefa, aza afangaro ny efafahazoanao antoka ny famonjena sy ilayfifalianao semban-drahona vetivety, vokatr’io tsyfitandremanao io.

Page 31: Fahazoana antoka ny famonjena sy ny fifaliana azo avy amin ...Moa tsy fahasoavana sy voninahitra tafatambatra ho amboara iray ve izany ? « Miaraha mankalaza an’i Jehovah amiko,

33

2211.. 2 Petera 2. ‡∂ •• 2222.. Apokalypsy 20. Úƒ

Aza mihevitra anefa ianao, na izany aza, fa homaivana kokoa ny hitsaran’Andriamanitra nyheloky ny mpino raha miolotra amin’ny an’ny tsympino. Tsy misy fomba karazany roa akory entinahitsarana ny ota. Tsy hoe ho moramora kokoa nyhitsarana ny otan’ny mpino, ary ho mafimafykokoa ny an’ny tsy mpino. Saingy, misyfahasamihafana goavana kosa eo amin’izy roaireo. Fantatr’Andriamanitra avokoa ireo fahotanarehetra nataon’ny mpino. Efa nentin’ilayZanak’ondry nisolo voina azy teo amin’nyhazofijalian’i Kalvary ireo fahotany rehetra ireo.Io asa vitan’i Kristy io no mampilamina ny olan’nyota, ka mahatonga ny tsy fiharan’ny fana -melohana vokatry ny ota intsony amin’ny mpino.Efa nahatra tao amin’ny Kristy ny fitsaranatokony ho nentiny : « Ary izy nitondra nyfahotantsika rehetra tamin’ny tenany teoambonin’ny hazo » 21.

Mizaka samirery ny vokatry ny fahotany kosaireo rehetra mandà an’i Kristy. Ho any amin’nyhelo mandrakizay izy ireo 22.

Tsy hianjera aminy intsony ny didim-pitsarananoho ny ota, raha sendra lavo ny kristiana. Efavoalamin’io Mpitsara io indray mandeha tsymiverina teo amin’ny hazofijaliana mantsy izany

Page 32: Fahazoana antoka ny famonjena sy ny fifaliana azo avy amin ...Moa tsy fahasoavana sy voninahitra tafatambatra ho amboara iray ve izany ? « Miaraha mankalaza an’i Jehovah amiko,

34

tambin’ny otany izany. Voasembantsembanakosa anefa ny fiombonany amin’ny Ray sy nyZanaka, satria nampalahelo ny Fanahy Masinaizy.

Mamelà anay handray ity ohatra farany ity :Indreo ankizy anankiroa no mijoro eo an-

tsisin’ny vovo, mankafy ny taratry ny volana aoanatin’ny rano. Nanipy vato tao anatin’ny vovoilay iray zokiny, nihiaka niaraka tamin’izay ilayzandriny :

– E, vakinao ilay volana !– Adala mihitsy ianao ity, hoy ilay zokiny, jereo

ny lanitra, tsy io hitanao tsy miova io izao nyvolana ? Ny fihetsiketsiky ny rano voatoraky nyvato teo no nampiova ny endriky ny volana taoanatin’ny rano !

Toy io vovo io ny fontsika. Asehon’ny FanahyMasina antsika, ho fiononana sy ho fifaliana hoantsika, ny voninahitr’i Kristy sy ny hatsaràny,raha amin’ny alalan’ny herin’Andriamanitra nohiazonantsika ny asan’ny nofo tsy hanjaka. Ampyhampitambolimbolina an’io rano io ny sain-dratsy indray mandeha monja, ny teny tsyvoahevitra indray mandeha monja niloaka nyvavantsika ! Ho voahelingelina ilay fiainanamahafinaritra niainantsika teo, mikorontanaisika, malahelo, mandra-pahatonga ny fotoanahitondrantsika ny fontsika torotoro eo

Page 33: Fahazoana antoka ny famonjena sy ny fifaliana azo avy amin ...Moa tsy fahasoavana sy voninahitra tafatambatra ho amboara iray ve izany ? « Miaraha mankalaza an’i Jehovah amiko,

35

2233.. Efesiana 4. Ò†

anatrehan’Andriamanitra, ka hiaikentsika nyotantsika. Amin’izay fotoana izay vao hiverinaamintsika ny fahatoniana tsy nananantsika teoaloha, sy ny fiombonana aina nogohintsika.

Moa manova ny asa nataon’i Kristy ve izanyfihotakotaky ny fontsika izany ? Sanatria !Hitoetra ihany ny efa maha olom-boavonjyantsika. Moa miova ve ny teny nambaran’Andriamanitra ? Tsia dia tsia ! Azo antoka hatranyny famonjena efa voaraintsika. Ka inona àry izanyno niova ? Tsy inona fa ny asan’ny Fanahy Masinaao anatintsika. Ny tsy fahamendrehantsika sy nyvesatry ny otantsika no ataony mameno nyfontsika, raha tokony ho ny voninahitry ny Tompono ampamirapiratiny ao anatintsika. Esorinyamintsika ilay fiononana sy ilay hafaliananananantsika, mandra-pahatsapantsika tena kahiaikentsika ny zava-dratsy vitantsika. Hiverinaindray ilay fiombonana aina amin’Andriamanitra,vantany vao tontosantsika izany.

Enga anie ny Tompo hitaona antsika hatranyhiahiahy ny amin’ny tenantsika, mba hitan -dremantsika tsy hanao izay hampalahelo nyFanahy Masin’Andriamanitra, izay nanaovanatombokase antsika ho amin’ny androfanavotana 23.

Page 34: Fahazoana antoka ny famonjena sy ny fifaliana azo avy amin ...Moa tsy fahasoavana sy voninahitra tafatambatra ho amboara iray ve izany ? « Miaraha mankalaza an’i Jehovah amiko,

36

2244.. Hebreo 13. µ •• 2255.. Mpitoriteny 3. Ú∂ •• 2266.. 1 Petera 1. ‡∂, ‡ƒ

Ry mpamaky malala, na marefo aza ny finoanaanananao, aoka ianao hahazo antoka fa tsymiova mandrakizay Ilay Iray izay anton’iofinoanao io.

« Jesoa Kristy no tsy miova omaly sy anio arymandrakizay » 24.

Tsy miova mandrakizay ny asa vitany teoamin’ny hazofijaliana.

« Izay rehetra ataon’Andriamanitra diahaharitra mandrakizay ; tsy azo ampiana ary tsyazo analana izany » 25.

Tsy miova mandrakizay ny teny niloaka nyvavany. « Malazo ny ahitra, ka mihintsana nyvoniny ; fa ny tenin’ny Tompo maharitramandrakizay » 26.

Noho izany, tsy hiova mandrakizay ihany koany fototry ny toky sy ny antoka ary ny fiarovanamafy ho ahy.

Page 35: Fahazoana antoka ny famonjena sy ny fifaliana azo avy amin ...Moa tsy fahasoavana sy voninahitra tafatambatra ho amboara iray ve izany ? « Miaraha mankalaza an’i Jehovah amiko,

37

Fitiavan-dalina tsy mba miofo,Ny fitiavanao e, ry Tompo TsitohaKa na dia malemy sy ratsy ny nofoMba mifaly havanja amin’ny tarany soa

Raha sendra misompatra ny raho-maintyHandroba ny hakanton’izato hazavanaMihelina ihany io f’Ianao no tsy maintsyMamiratra hatrany, mitondra hafanana

Tsy misy hahasaraka ahy aminaoRy Tompo Mpamonjiko feno fitiaRaha minia adala, mitady ny handaoAvereno ho aminao re ity foko malia !

Page 36: Fahazoana antoka ny famonjena sy ny fifaliana azo avy amin ...Moa tsy fahasoavana sy voninahitra tafatambatra ho amboara iray ve izany ? « Miaraha mankalaza an’i Jehovah amiko,

Misy asasoratra maromaro ireto mamahavaha nylohahevitra mitovy amin’izay hitanao tato.Mampirisika anao izahay hamaky azy ireto :

Un croyant peut-il perdre le salut ?P. Fuzier

Rachetés pour l’éternitéJ.G. Fijnvandraat

Les vérités fondamentales sur le salutE. Dennett

38

Page 37: Fahazoana antoka ny famonjena sy ny fifaliana azo avy amin ...Moa tsy fahasoavana sy voninahitra tafatambatra ho amboara iray ve izany ? « Miaraha mankalaza an’i Jehovah amiko,

Imprimé en France par IMÉAF – 26160 La Bégude de MazencDépôt légal : 4e trimestre 2007 - N° d’impression 707 53

Page 38: Fahazoana antoka ny famonjena sy ny fifaliana azo avy amin ...Moa tsy fahasoavana sy voninahitra tafatambatra ho amboara iray ve izany ? « Miaraha mankalaza an’i Jehovah amiko,

NNyy ffaahhaazzooaannaa aannttookkaannyy ffaammoonnjjeennaa

ssyy nnyyffiiffaalliiaannaa aazzoo aavvyy aammiinn’’iizzaannyy

Amboaram-boky 10x15ahitanao fanazavana tsotra

avy amin’ny Baiboly

NNaahhooaannaa nnoo nnaavvooaakkaaiizzaaoo aammbbooaarraamm--bbookkyy 1100xx1155 iizzaaoo ??

Natonta tamin’ny taratasy manify ireo boky, arynatao mitovy habe amin’ny valopy. Nataoindrindra ho fampitomboana an’ireo mpamakyliana amin’ny Tenin’Andriamanitra, ireo bokikelyrehetra ho hitanao ato amin’ity amboaram-bokyity. Amidy amin’ny vidiny mirary tokoa izy ireny,ary mamaly an’ireo fanontaniana fametraky nyolona matetika, araka ny amalian’nyTenin’Andriamanitra azy.