6
Marika sy fitaovana iray tena ilaina ho an’ny fivoarana sy ny fandrosoana eto anivon’ny fivondronana sy ny fiangonana ary ny manodidina ny gazety, satria mampita ny kolontsaina izay mila hazonina sy kolokoloina amin’izao vanin’andro izao, manamafy ny finoana amin’ny alalan’ny fampifandraisana ny tenin’Andriamanitra sy ny zavatra iainana andavan’andro ary mirakitra ireo tantara sy ezaka vita. Ny Gazetiboky (Revue) RAKITRA dia natao ho : -Fampahalalana ny rehetra ny Skotisma -Fampitana amin’ny fiangonana ny vaovao anaty sy ivelan’ny SAMPATI. -Fifanakalozan-kevitra sy fifanofanana ho an’ny Mpiandraikitra. -Fanampin’ny fanabeazana omena ny beazina (Mavo, Maitso, Mena, Mpanazava, Tily). Ankoatra ireo dia ireto avy ny zavatra mety ho hita ao : fampitam-baovao avy amin’ny sampana hafa, fanadihadiana momba ny tontolo manodidina (fiangonana, sosialy, ets…) , laha-kevitra maro mampivoatra sy manintona. Izy io dia afaka atao loharanom-bola maharitra ho an’ny fivondronana, na hanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara- miombon’antoka izay mampiodina ny raharaham-pivondronana. Ny fomba fiasa amin’izany dia toy izao: misy ny tompon’andraikitra maharitra (talen’ny famoahana, mpikirakira, mpanangom-baovao, ets…) ary misy ireo mpanoratra sy mpitati-baovao isan-karazany; ohatra : lahatsoratra iray momba ny fanabeazana ara-pananahana nosoratan’i Cheftaine Fabollah (Baloo Sampana Mavo Tily). Amin’izay fotoana izay dia I Cheftaine Fabollah no manao ny lahatsoratra fototra ary mandefa izany any amin’ireo mpikirakira mialoha, ireo mpikirakira indray avy eo no manantona azy mba hanatsarana ny lahatsorany (article) ohatra ny fakana ny sary mifandraika amin’izany, fanaingoana isan-karazany, sns…. Noho izany dia ho afaka maneho ny heviny ao daholo ny rehetra, rehefa manaraka ny fitsipika, ary tokony haneho sy hampihatra ny talentany ny tsirairay, satria raha kitay anankiray no dorana tsy maharitra ela, ary tsy mirehitra mihitsy aza, fa rehefa maro dia mahavita manome hafanana sy hazavana nefa koa mandoro (maha- masa-bary, afon-dasy, mandoro ala ets…).

Gazety RAKITRA

Embed Size (px)

Citation preview

Page 1: Gazety RAKITRA

Marika sy fitaovana iray tena ilaina ho an’ny fivoarana sy ny fandrosoana eto anivon’ny fivondronana sy ny fiangonana ary ny manodidina ny gazety, satria mampita ny kolontsaina izay mila hazonina sy kolokoloina amin’izao vanin’andro izao, manamafy ny finoana amin’ny alalan’ny fampifandraisana ny tenin’Andriamanitra sy ny zavatra iainana andavan’andro ary mirakitra ireo tantara sy ezaka vita.

Ny Gazetiboky (Revue) RAKITRA dia natao ho :-Fampahalalana ny rehetra ny Skotisma-Fampitana amin’ny fiangonana ny vaovao anaty sy ivelan’ny SAMPATI.-Fifanakalozan-kevitra sy fifanofanana ho an’ny Mpiandraikitra.-Fanampin’ny fanabeazana omena ny beazina (Mavo, Maitso, Mena, Mpanazava, Tily).

Ankoatra ireo dia ireto avy ny zavatra mety ho hita ao : fampitam-baovao avy amin’ny sampana hafa, fanadihadiana momba ny tontolo manodidina (fiangonana, sosialy, ets…) , laha-kevitra maro mampivoatra sy manintona.

Izy io dia afaka atao loharanom-bola maharitra ho an’ny fivondronana, na hanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka izay mampiodina ny raharaham-pivondronana. Ny fomba fiasa amin’izany dia toy izao: misy ny tompon’andraikitra maharitra (talen’ny famoahana, mpikirakira, mpanangom-baovao, ets…) ary misy ireo mpanoratra sy mpitati-baovao isan-karazany; ohatra : lahatsoratra iray momba ny fanabeazana ara-pananahana nosoratan’i Cheftaine Fabollah (Baloo Sampana Mavo Tily). Amin’izay fotoana izay dia I Cheftaine Fabollah no manao ny lahatsoratra fototra ary mandefa izany any amin’ireo mpikirakira mialoha, ireo mpikirakira indray avy eo no manantona azy mba hanatsarana ny lahatsorany (article) ohatra ny fakana ny sary mifandraika amin’izany, fanaingoana isan-karazany, sns….Noho izany dia ho afaka maneho ny heviny ao daholo ny rehetra, rehefa manaraka ny fitsipika, ary tokony haneho sy hampihatra ny talentany ny tsirairay, satria raha kitay anankiray no dorana tsy maharitra ela, ary tsy mirehitra mihitsy aza, fa rehefa maro dia mahavita manome hafanana sy hazavana nefa koa mandoro (maha-masa-bary, afon-dasy, mandoro ala ets…).

Mandritra ny taona voalohany fivoahan’ny gazety dia anatin’ny SAMPATI ihany aloha no hanapariahana azy iray mandeha isaky ny telo volana (in-4).Ny fanapariahana azy eo anivon’ny fiangonana dia miankina amin’ny fandraisan’ny olona ny gazety sy ny enti-manana amin’ny fikarakarana sy fanontana ihany.Mifandraika amin’izay ihany, momba ny fikarakarana rehetra dia toy izao : ny fitaovana (ordinateur, imprimante, faka-tsary) dia mbola indramina amin’ny mpikambana ihany aloha hatreto, fa izay fandaniana tsy maintsy atao (rame papier) ihany no mety hivoaham-bola, fa ao aoriana kely araka ny voalaza tetsy ambony dia hanatsarana ny fiaraha-miasa amin’ny mpira-miombon’antoka izy ity. Eto am-piaingana mantsy dia noeritreretina ho A5 ny format –ny Gazetiboky, taratasy A4 miisa roa miforitra roa, agraffé, ary imprimé noir et blanc ny pejy ao anatiny, fa ny fonony no en couleur, no hanaovana azy. Ny ankoatr’izay ny asa rehetra(fanaovana saisie, dessin, traitement d’image, sns…) dia miankina tanteraka amin’ny “Volontariat”-tsika rehetra.

Tena asa be tokoa izy ity, kanefa izany dia tafiditra ao anatin’ny fomba fibeazan-tsika ato amin’ny Skoto dia ny: “Fibeazana arak’asa, fampivelarana ny tsirairay amin’ny asa iombonana”.

Page 2: Gazety RAKITRA

Pejy 8

Betsaka …

Mahavelombolo tokoa ny mahita ny habetsaky ny Mpikambana ao amin’ny SAMPATI Antanimena Andrefana, satria efa manakatra eo amin’ny 150 eo izy izao. Ary tsy hitsahatra hitombo izany miampy ny hisokafan’ny Sampana Menafify amin’ity taom-panabeazana 2011-2012 ity. Hoatry ny ahoana re no tokony ho herin’ity fikambanana ity e!

Inona marina ny skotisma ? ! Pejy

3

Fivondronana Mendrika Faritra fahatelo Isan-taona dia manendry Fivondronana (Fitandremana) izay hita fa tena mijoro tsara sy mazoto amin’ireo

Pejy 4

Lasitra ho an’ny MpiandraikitraIreo toe-tsaina enti-miatrika taom-panabeazana vaovao.

Pejy 5

Hafatry ny Zoky am-panahy

Pejy 2

Pejy 6

“Ary hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra

3e mi-Temps...

Pejy 7

Katrohy !

Pejy 7

Samihafa Pejy 7

Antson’ny

MPITARIPejy 8

AINA VAOVAO Laharana 0001 - Taona 2011/2012 Gazetibok

y

MARO NY VOKATRA FA NY MPIJINJA NO VITSY

Namokatra tokoa ireo ankizy beazina tamin’ity taona ity satria samy tafakatra tamin’ny fifaninanam-paritany ny sampana rehetra. Ny sampana Mavo tafakatra tamin’ny Valse Faritany, ny sampana Maitso tafakatra tamin’ny LFTT Faritany ary ny sampana Mena efa nandrombaka ny voalohany tamin’ny Rodorodon’ny Faritany.

Hitantsika amin’izany fa tena vonona sy mahery fo raha ny ankizy sy tanora beazina eto amin’ny Fivondronantsika. Miantso ireo tanora izay afaka hiandraikitra kosa noho izany, na avy ato anatiny na avy any ivelany, satria tsy ampy ny mpiandraikitra na Mpanazava na Tily. Ireto misy santionany amin’ny ahafahana miditra Mpiandraikitra :

-Nantsoin’ny Tompo, ho resy lahatra amin’ny fanabeazana SKOTO.-20 Taona no mihoatra.-Mpandray ny fanasan’ny Tompo. -Mazoto sy vonona hifanaraka ary afaka hifanerasera amin’ny KP sy ny

Mpiandraikitra hafa.-Manao fanekena fa hahatody hatramin’ny farany ny hofana maha-

Mpiandraikitra anaty fotoana voafetra.Ankoatra ny fiandraiketana ihany koa anefa dia maro ireo tetik’asa izay

novinavinaina izay miandry mpitarika. Izany moa dia tafiditra indrindra amin’ny hananganana ny Sampana Menafify ao amin’ny Tily raha sitrapon’Andriamanitra.

Izay no izy fa : “Atsipy hono ny tady eny an-tandroky ny omby fa atsipy ny teny any am-pon’ny mahalala”.

Ainga vaon’ny

48e

Page 3: Gazety RAKITRA

Pejy 2 Pejy 7

HOATRAN’NY MISY “POLEMIKA”-BE IZANY!?

Fikambanana mitaiza sy manabe tanora ny Mpanazava sy Tily. Tsy maintsy misy foana ny fiteny malaza. “POLEMIKA” : raha mba misy afaka manazava amiko io teny io dia afaka manoratra na mandefa someso. Fa hoatran’ny lasa “POLEMIKA”-BE izany ny hoe: … “48e A sy 48e B, hisaraka ny Tily sy ny Mpanazava e”. Tsy misy io ! fa dia miala tsiny amin’izay mieritreritra an’izany !. Na inona na inona fanabeazana tsy mitovy, na inona na inona resa-pitiavana misy eo amin’ny beazina, dia tsy vaha olana mihitsy ny fampisarahana ny Fivondronana. Ary ny mpanabe dia mitovy daholo na Mpanazava na Tily. Noho izany dia “POLEMIKA” fotsiny ny resaka mandeha, fa isika dia tahaka ity HIKA manaraka ity :

« Firaisankinan’AntanimenaSarebareba sy mientanentanaMirehitra hatramin’ny tanimenaFiraisankinan’ny avy any andrefana »

Ka dia misokatra eto ihany koa ny fifaninanana hiaka na tonon-kalo momba ny firaisankinan’ny fivondronana ! Fenoy ity tapakila kely ity dia omeo ny Mpiandraikitra.

Anarana feno: . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . .

Fiantsoana. . . . . . . . . . . . . . . . . . . .Telephone: . . . . . . . . . . . . . . . . . . .

Vondrona : Mpanazava Tily

Sampana : Mavo Maitso Mena . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . .

. . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . .

. . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . .

. . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . .

. . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . .. . . . . . . . . . . . . . . .

HAFATRY NY ZOKY AM-PANAHY

Page 4: Gazety RAKITRA

Pejy 3Pejy 6

INONA MARINA NY SKOTISMA ?

Ny Skotisma dia fihetsiketsehana manabe mba hampivelatra ny traik’efan’ny tanora, ahafahany manana ny toerany eo amin’ny fiaraha-monina , amin’ny maha olom-pirenena sy ny maha tompon’andraikitra azy eo amin’ny fiainany. Ny fomba fanabeazany dia miantefa amin’ny lafiny rehetra handrefesana ny maha-olona dia : ara-batana, ara-tsaina, ara-piaraha-monina, ara-pihetsem-po, ary indrindra ara-panahy. Ny fivelaran’ny ankizy, tanora, dia miankina amin’ny ny fivoarana sy fitomboan’ireo singa ireo ara-dalana sy mirindra tsara.

Ny Skotisma dia mandray anjara amin’ny fandrafetana ny maha-izy azy ny olona.Tsy mikendry ny hisolo ny fianakaviana na ny fianarana na ireo seha-pinoana sy ny hafa izy. Fa famenon’izy rehetra.Rehefa mihatra ny skotisma dia mametraka ny tsirairay ao anatin’ny tontolony sy ny manodidina azy, ary misy fifandraisana tsy tapaka na amin’ny lavitra na ny akaiky (tanàna, fokontany, firenena sns .Manamafy ny maha-olombanona sy ny fitiavan-tanindrazana izy. Manainga ny adidy sy anjara misy amin’ny fiarahamonina. Manohana sy manampy ny fampianarana ny fandraisana andraikitra mazava sy tena ilaina ary mamokatra sy mitaiza izy.

Mizarazara ho sampana ny fivondronana iray. Misy beazina maromaro voafetra ao anaty ao anaty salan-taona iray mantsy. Ohatra : ny Salan-taona Mavo: 5-11 taona : Louveteau (Lahy) na Voronkely (Vavy)Salan -taona Maitso: 12 - 16 taona : Tily (Lahy) na Mpanazava (Vavy)Salan-taona Mena: 17 - 20 taona : Mpiandalana (Lahy) na Afo (Vavy)Ny 21 taona no mihoatra : Menafify (Lahy).

Voarafitra hanabe ny ankizy araka ny taonany tokoa ireo fizarana ireo, ary izany no antony maha-hafa ny Mpiandraikitra satria voaofana manokana amin’izany. Ao no misy ny valin’ny fanontaniana rehetra apetraky ny tanora amin’ny fivoarany , mampifoha ny maha-izy azy. Mampandray andraikitra azy ary manamafy ny finoany ary manohana azy amin’ny lalana hizorany amin’ny fiainany amin’ny maha-Kristiana azy.

Mbola hitohy . . .

AINGA VAO 48e

Ao anatin’ny fiaingana vaovao tanteraka ny fivondronana amin’izao fotoana izao, satria eo am-pandinihana sy fanandramana ary fametrahana hatrany ny fomba fiasa, ny tanjona dia ny fankalazana ny faha-20 taona nifohazana amin’ny taona 2014. Vao notokanana amin’ny 10 Jona rahateo koa ny Toniam-pivondronana roa ary ny biraon’ny Komitim-pivondronana dia vao nofidiana tamin’ny volana Novambra 2011. Ny tena mahafinaritra dia maro ireo mpiandraikitra efa niroso tamin’ny fiofanana tamin’ny volana Aprily teo, izay natao tany Fenerive Est ho an’ny Mpanazava ary natao tany Maharidaza ho an’ny Tily.

Raha jerena ny rafitry ny fivondronana dia azo lazaina fa ampy ihany eny na dia tsy ampy 25 isa aza ireo Komitim-pivondronana. Alohan’ny lasy lehibe kosa dia nokasaina havoaka ny bokikely mirakitra ny fitsipika anatin’ny Fivondronana. Ny ho hita ao anatin’izany ny teti-bolan’ny fivondronana, ireo adidy fanao maro, ny fitsipika amin’ny fanaovan-draharaha samihafa, fanamafisana ny fitsipika anatin’ny MTEM, sns…. Marihana fa tena fitsipika anatiny ofisialy io, izany hoe hohampafantarina amin’ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka anatiny sy ivelany. Ezahana tsy ho tery loatra ny fitsipika mba tsy hanovahovana azy matetika.

Ny tanjona, mazava ho azy, dia handeha tsara sy amin’ny tokony ho izy ny fiainam-pivondronana amin’ny taom-panabeazana 2012-2013 sy ny manaraka rehetra, ary santatra ambaravarano ity taom-panabeazana ity.

Page 5: Gazety RAKITRA

Pejy 4