17
BOKY TORO LALANA HOAN’NY MPITRAN- DRAKA DRAKAKA ANATY ALA-HONKO (Scylla serrata) ho fampihenàna ny taha-pahafatesana ao aorian’ny fanjonoana Antananarivo, Madagasikara - Mai 2013 Publication 11

Publication 11 · 2021. 2. 8. · Na dia mbola tsy atahorana ho ringana aza ny drakaka (vokatra vokajy ho eo amin’ny 3.500 taonina isan-taona) dia ahitàna fahavitsian’ny vokatra

  • Upload
    others

  • View
    0

  • Download
    0

Embed Size (px)

Citation preview

Page 1: Publication 11 · 2021. 2. 8. · Na dia mbola tsy atahorana ho ringana aza ny drakaka (vokatra vokajy ho eo amin’ny 3.500 taonina isan-taona) dia ahitàna fahavitsian’ny vokatra

BOKY TORO LALANA HOAN’NY MPITRAN-DRAKA DRAKAKA ANATY ALA-HONKO

(Scylla serrata)ho fampihenàna ny taha-pahafatesana ao aorian’ny fanjonoana

Antananarivo, Madagasikara - Mai 2013

Publication 11

Page 2: Publication 11 · 2021. 2. 8. · Na dia mbola tsy atahorana ho ringana aza ny drakaka (vokatra vokajy ho eo amin’ny 3.500 taonina isan-taona) dia ahitàna fahavitsian’ny vokatra

FAO SmartFishPublication 11

MINISITERAN’NY JONO SY NY HARENA ANATY RANO

FANDAHARAN’ASA SMARTFISH-FAO

Ny hevitra naroso tamin’ity boky ity dia an’ny mpanomana azy ihany fa tsy ho votery ho avy any amin’ny F.A.O.

Ny teny ampiasaina sy ny fanolorana ireo voka-panadihadiana ao anatin’ity boky ity dia tsy mahakasika ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana misahana ny Sakafo sy ny Fambolena (F.A.O) na koa eo amin’ny fandraisana fepetra eo amin’ny lalàmpifehezana na fapandrosoana firenena iray, faritra na tanàna sahanin’ny fandaharan’asa.

© SmartFish 2013

Teny fampidirana

Ny fandaharan’asa SMARTFISH, izay mahasahana ny faritra andrefan’ny ranomasimbe indianina dia manohana ny fampandrosoana maharitra ny sehatra fitrandrahana hazandrano, ao anatin’izany ny fifanakalozana traikefa eo amin’ny firenena mpikambana ao aminy.

Nametraka soso-kevitra tamin’ny fandaharan’asa SMARTFISH ny fanjakana Malagasy ny mba hampidirana ny seha-pitrandrahana nenti-paharazana, anisan’izany ny momban’ny drakaka monina anaty ala-honko (Scylla serrata). Ny fandaharan’asa amin’io sehatra io dia efa nanomboka tamin’ny volana Novambra 2011.

Ny tomban’ezaka ary ny fanadihadiana momba izany dia nahafahana nametraka toromarika maromaro. Ny lehibe indrindra amin’izany dia ny fanenàna ny taha-pahafatesan’ny drakaka avy nofandrihana ho iray ampaha-telon’ny vokatra ho amin’ny roa na telo taona manaraka. Fehikevitra nivoaka tao Antananarivo tamin’ny volana Marsa 2012.

Efa maro ireo ezaka natao miaraka amin’ireo mpandraharaha eo amin’io seha-pamokarana io mba hanenàna ny tahapahafatesana (mpajono, mpanangombokatra, mpivarotra, mpanondrana any ivelany).

Ity boky kely ity dia natao ho fampianarana ny lafiny ara-teknika sy ny fomba fiasa andavanandro mba hanenàna ny tahan’ny drakaka maty. Ny fanentanana dia hamafisina amin’ny alàlan’ny sary mihetsika, radio, fisikina na lambaoany.

Ity boky kely ity dia natao indrindra ho an’ny mpandraharaha sy mpikirakira drakaka, ny teknisiana, sampandraharaham-panjakana misahana ny jono, fikambanana tsy miankina manao hetsika eo amin’ny sehatry ny jono nentipaharazana sy ny fiarovana ny tontolo iainana indrindra eny amin’ny faritra misy ala-honko.

Ity boky ity dia natao ho afaka ampiasain’ireo mpitrandraka drakaka tsy mahay mamaky teny, satria afaka manaraka ny torolàlana amin’ny alalan’ny sary izy ireo .

Andriamatoa isany Zbigniew KASPRZYK, Claude RAJAONSON sy Gabriel MORIN (nanao ny sary) no nanomana ity boky kely torolàlana ity.

Tsy ho tanteraka ny fanatontosana ity fandaharan’asa ity raha rsy nifarimbonan’ireo mpanangombokatra feno traikefa toan’Andriamatoa isany: Claude RAJAONSON, Jones RASOLO, Jonah RAZAFIMANDIMBY, eo ihany koa ny fandraisan’anjara mavesatra avy ao amin’ny Fitondrampanjakana, amin’ny alàlan-dramatoa Marcelline RAVAONASOLO ao amin’ny Faritra Boeny, Andriamatoa isany Hubert RAJERISON, Faritra Menabe, Tiana RANDRIAMBOLA lehyben’ny sampandrahara han’ny fanaraha - maso ny jono, Tantely RAZAFINDRAJERY ao amin’ny foiben’ny jono.

Page 3: Publication 11 · 2021. 2. 8. · Na dia mbola tsy atahorana ho ringana aza ny drakaka (vokatra vokajy ho eo amin’ny 3.500 taonina isan-taona) dia ahitàna fahavitsian’ny vokatra

Fanolorana

Fitsipika iraisan’ireo mpandraharaha

Fanamarinana ny tanjona 6 I. Eo amin’ny fanjonoana 7II. Eoamin’nyfitehirizana 9III. Eoamin’nyfitaterana 12IV. Eo amin’ny tsena 16V. Eo amin’ny fanjakana 17

Fisy teknika

1. Tranofitehirizanaentana 182. Vovosyvatafitehirizana 203. Sarety nasiana fanamboarana 224. Fitanteranaamin’nyvatavitaamin’nyhazo 245. Akalanametyesorina/lakanafitateran’entana 26

Fanamarihana avy amin’ireo nanomana ity boky torolalana ity

Tsapan’ireo nandrafitra ity boky ity fa mety misy ny lesoka sy ny madilana ho tetenana, nefa inoana fa ny sampandraharahampanjakana miandraikitra ny jono sy ny fandaharan’asa misahana izany dia ho liana ahafantatra ny hevitr’ireo namaky ity boky ity, na eo amin’ny hevi-dehibe fonosiny na eo amin’ny sary manazava izany. Raisin’ny Sampandraharaha eo amin’ny sehatry ny jono (MPRH) antanandroa izay mety ho fanamarihana na sosokevitra mba ahafahana manomana tsaratsara kokoa izay boky kely torolàlana atonta manaraka.

Farany, raha tsy nisy ny finiavan’ireo mpisehatra amin’ny asa drakaka, izay marobe ka tsy ho voatanisa eto, dia tsy ho hita ireo hevitra mahomby vaovao ary tsotra hanamaivanana ny tahampahafatesan’ny drakaka ao aorian’ny fanjonoana azy, izay voamarika fa mbola havo tokoa eo amin’ny drakaka miaina anaty ala-honko eto Madagasikara.

Page 4: Publication 11 · 2021. 2. 8. · Na dia mbola tsy atahorana ho ringana aza ny drakaka (vokatra vokajy ho eo amin’ny 3.500 taonina isan-taona) dia ahitàna fahavitsian’ny vokatra

BOKY TORO LALANA HOAN’NY MPITRANDRAKA DRAKAKA / FITSIPIKA IRAISANA

7Rafitra ifampifehezana eo amin’ny samy mpitrandraka drakakaRafitra ifampifehezana eo amin’ny samy mpitrandraka drakaka6

I. Eo amin’ny fanjonoanaRafitra ifampifehezana eo amin’ny samy mpitrandraka drakaka Ny zava-misyNa dia mbola tsy atahorana ho ringana aza ny drakaka (vokatra vokajy ho eo amin’ny 3.500 taonina isan-taona) dia ahitàna fahavitsian’ny vokatra ihany eo amin’ireo faritra manodidina ny tanàn-dehibe, indrindra ireo drakaka vaventy.

Ny fanadihadiana natao tamin’ny fiatombohan’ny taona 2012 dia nahatsapa ny fahambonian’ny taha-pahafatesana eo amin’ny drakaka izay mahatratra 22% amin’ny ankapobeny ary mety tonga hatrany amin’ny 50% amin’ny fotoam-pahavaratra.

Hita matetika amidy eny antsena ireo drakaka madinika (izay tsy raisin’ireo orinasa lehibe mpanondrana) na dia eo aza ny lalàna mametra ny tsy ahazoana mitrandraka sy mivarotra drakaka latsaky ny 10 cm ny vatabeny.

Ireo fitaovana fitrandrahana koa dia na, mandratra (faraingo), na tsy misivana (vovo) ny drakaka.

Tanjona

Ny tanjon’ny rafitra ifampifehezana dia ny hametraka fomba fiasa hoan’ireo mpitrandraka drakaka mba hiarovana ny ala-honko sy hahatongavana amin’ny fampandrosoana maharitra ny famokarana azy.

Ny tanjona maika ao anatin’ny fotoana fohy dia:

- Ny fanatsarana ny fidirambolan’ireo mpikirakira isan-tsokajiny amin’ny fanenàna ny taha paha-fatesana fa tsy ny fampitomboana ny fanjonoana fotsiny.

- Fanenàna ho iray ampahatelon’ny taha-pahafatesan’ny drakaka ao anatin’ny 2 na 3 taona ka mba tsy ho 22 % toy tamin’ny taona 2012 intsony fa mba ho 15 % amin’ny taona 2015.

- Ny fampiasàna izay fitaovana ao am-pelatanan mba hanenàna ny taha-pahafatesan’ny drakaka mandritry ny fahavaratra izay maha betsaka io vokatra io, mba ho latsakin’ny 30% fa tsy 50 % intsony.

- Ny fanajana ny lalàna manan-kery.

I.1. Tandremo ny faraingoFerana ny fampiasàna faraingo fa mandratra ny drakaka (tapa-tanana) ary manimba ny lavaka.

I.2. Hajaina ny mason’arato ampiasaina amin’ny vovo

Tokony tsy hitazona ny drakaka latsaky ny 10 cm ny mason’araton’ny vovo.

Fanjonoana amin’ny faraingo amin’ny rano maina

Fanjonoana amin’ny vovo kely maso loatra

Fanjonoana amin’ny vovoTokony ampiasaina

Eny !

Tsia !

Page 5: Publication 11 · 2021. 2. 8. · Na dia mbola tsy atahorana ho ringana aza ny drakaka (vokatra vokajy ho eo amin’ny 3.500 taonina isan-taona) dia ahitàna fahavitsian’ny vokatra

BOKY TORO LALANA HOAN’NY MPITRANDRAKA DRAKAKA / FITSIPIKA IRAISANA

9Rafitra ifampifehezana eo amin’ny samy mpitrandraka drakakaRafitra ifampifehezana eo amin’ny samy mpitrandraka drakaka8

II. Eo amin’ny fitehirizana (an-tanàna na an-toby)

I. Eo amin’ny fanjonoana (2)

I.3. Gony paka Gony paka no hitondrana ny drakaka satria tsy dia mandray hafanan’ny masoandro ary mitàna hamandoana mihoatra ny gony plastika.

Ny mety dia rakofana fotaka ny drakaka ao anaty lakana nentina nanjono.

I.4. Mandritry ny fitaterana amin’ny lakana fanjonoana :- Arovana amin’ny hainandro ny drakaka amin’ny fandrakofana azy

ravinkazo na lamba kely ;

- tondrahana ranomasina matetika.

II.1. Rakofana fotaka raha vao tonga : - afatotra ny tanaben’ny drakaka dia rakofana fotaka ;

- ny fotaka dia dia tokony tsy hisy vaingam-pasika, nalaina lavitra tanàna ary lemana amin’ny ranomasina madio sy notovozina tamin’ny rano miakatra.

Fanondrahana ranomasina ny lamba mandrakotra ny drakaka

Fametrahana fotaka aorian’ny fanjonoana

Ranomasina sy fotaka

Tsia !

II.2. Tsy mifoka sigaraAza mifoka sigara rehefa mikarakara ny drakaka fa poizina ho azy ny tai-tsigara.

- Tokony ho manodidina ny 10% ny lanjan’ny drakaka ny lanjan’ny fotoka ampiasaina.

- Ny fotaka dia tsy natao ho sakafon’ny drakaka fa natao hiarovana azy sy hanome hamandoana fotsiny.

Page 6: Publication 11 · 2021. 2. 8. · Na dia mbola tsy atahorana ho ringana aza ny drakaka (vokatra vokajy ho eo amin’ny 3.500 taonina isan-taona) dia ahitàna fahavitsian’ny vokatra

BOKY TORO LALANA HOAN’NY MPITRANDRAKA DRAKAKA / FITSIPIKA IRAISANA

11Rafitra ifampifehezana eo amin’ny samy mpitrandraka drakakaRafitra ifampifehezana eo amin’ny samy mpitrandraka drakaka10

II. Eo amin’ny fitehirizana (3) (an-tanàna na an-toby)

II. Eo amin’ny fitehirizana (2) (an-tanàna na an-toby)

Fizotran’ny rivotra

Arovana amin’ny rivotra, ny masoandro ary ny orana

II.3. Alokaloka tsotraHo an’ny mpanjono sy mpanangombokatra tehirizina ao ambany aloka tsotra ny drakaka nasiana fotaka.

Atao lavitra afo, setroka, fako ary lava-piringa ny trano fitehirizana.

Tsy tokony hihoatra ny 4 na 5 andro ny fitehirizana ny drakaka raha toa ka nafatra anaty sobika na gony raha alefa amin’ny lakana na sarety :

--> 2 na 3 andro aorian’ny nitehirizana azy dia esorina izay maty ary soloina fotaka vaovao. Alohan’ny andefasana azy dia esorina indray ny maty sady soloina ny fotaka.

II.4. Tehirizina anaty trano kely Ireo mpanangom-bokatra izay mikirakira drakaka maro dia tokony hanana trano kely malaladalaka hitehirizana azy :- Anaty sobika/gony eo ambony talatalana ;- Na izy alefa mandehandeha fa mifatotra, eny ambony ravin-kazo mando.

tondrahana rehefa notehirizina 2 na 3 andro

II.5. Mandritry ny fitehirizana

II.6. Vala na vovo Raha mihoatra ny 4 na 5 andro ny fotoana hitehirizana azy, (nohony toetrandro, fahataran’ny mpanangom-bokatra) dia arotsaka anaty vala na vovo eo amoron-dranomasina ireo drakaka efa voafatotra.

Vala misy tafo

drakaka voafatotra

Vava-kinga ahavon’n’ny rano

--> na koa somary tondrahana ranomasina kely (afaka 2 na 3 andro nitehirizana). ¼ litatra isan-tsobika na gony iray.

Page 7: Publication 11 · 2021. 2. 8. · Na dia mbola tsy atahorana ho ringana aza ny drakaka (vokatra vokajy ho eo amin’ny 3.500 taonina isan-taona) dia ahitàna fahavitsian’ny vokatra

BOKY TORO LALANA HOAN’NY MPITRANDRAKA DRAKAKA / FITSIPIKA IRAISANA

13Rafitra ifampifehezana eo amin’ny samy mpitrandraka drakakaRafitra ifampifehezana eo amin’ny samy mpitrandraka drakaka12

III. Eo amin’ny fitaterana (2) (mankany amin’ny mpanjifa antanan-dehibe)

III. Eo amin’ny fitaterana (mankany amin’ny mpanjifa antanan-dehibe)

- mora potsitra ny drakaka afatratra anaty sobika ary maro kokoa ny maty amin’ny fampiasana sobika lehibe ;

- voakajy kokoa ny drakaka anaty vata hazo na plastika mandritry ny fitaterana azy.

III.1. Afatratra anaty vata fa tsy ao anaty sobika

Eny !

Tsia !

Sobika

Vata plastikaVata hazo

Afaka ampifanindriana tsara any vata hazo sy ny vata plastika.

Afaka ampiasaina eo amin’ny fitaovam-pitaterana samihafa, toa ny lakana, sarety, fiarakodia.

Eny !

- amin’ny fahavaratra, rakofana labasy na lamba tsy lena (gonimbary) ;

- amin’ny maintany, rakofana lamba soga ary tondrahana ranomasina matetika.

III.2.2. Anamboarana akalana azo esorina anaty lakanaAzo apetraka ambany ny sobika ary ambony akalana ny vata amin’ireo lakana kely (latsaky ny 10m) mba ahafahana mampiasa tsara ny toerana.

III.2.3. Fampiasana moteraMampihena ny fotoana lany ny fampiasàna milina fapandehanana amin’ny lakana, noho izany dia mihena ny tahapahafatesan’ny drakaka mandritra ny fitaterana azy.

Na teo aza ny lesoka hita teo aloha dia mbola mandrisika ny fampiasana motera anatiny amin’ny lakana fitaterana.

III.2. Fitaterana amin’ny lakana

III.2.1. Arovana amin’ny masoandro, rivotra sy orana:

Lakana fitaterana (9-12m)

Fahitana ny sobika sy vata voarakotra lamba

Motera anatiny

Page 8: Publication 11 · 2021. 2. 8. · Na dia mbola tsy atahorana ho ringana aza ny drakaka (vokatra vokajy ho eo amin’ny 3.500 taonina isan-taona) dia ahitàna fahavitsian’ny vokatra

BOKY TORO LALANA HOAN’NY MPITRANDRAKA DRAKAKA / FITSIPIKA IRAISANA

15Rafitra ifampifehezana eo amin’ny samy mpitrandraka drakakaRafitra ifampifehezana eo amin’ny samy mpitrandraka drakaka14

III. Eo amin’ny fitaterana (4) (mankany amin’ny mpanjifa antanan-dehibe)

III. Eo amin’ny fitaterana (3) (mankany amin’ny mpanjifa antanan-dehibe)

III.3.Fitaterana amin’ny sarety

Lamba atao rakotraSarety tsotra voavoatra

Ranomasina (anondrahana)

Fiton-drana entana

III.3.1. Fanatsarana ny sarety mahazatra :

- fanamboarana akalana azo esorina hitondrana entana;

- fandrakofana amin’ny zavatra maharo amin’ny masoandro, rivotra, orana.

III.4. Fitaterana amin’ny taxi-b na kamiao

III.4.1. Taxi-b- Rafetana baoritra ny sisiny

anaty sobika mba iarovana ny drakaka amin’ny rivotra mandritry ny itateran’azy amin’ny fiara ;

- miova araky ny toetrandro ny lamba ampiasaina :

--> fahavaratra: gony plastika sy ravin-tsatrana ;

--> maintany : soga sy ravinkazo.

III.3.2. Ahena ny haben’ny sobika :

--> Mba ho 30-35 kg fa tsy ho 80-120 kg.

Azo ovaina vata hazo na plastika koa.

Eny !Eny !

Fitondrana entana azo esorina

sary hita avy aoriana

Asiana baoritra ao anatin’ny sobika

Lamba mety amin’ny toetrandro

Drakaka narovana amin’ny rivotra

Fanondranana amin’ny fiara be ireo vata hazo na plastika

III.4.1. Kamiao- Raha afatratra amin’ny sobika na vata ny drakaka dia atao eo ambony akalana

- soloina vata hazo na plastika na baoritra ny fonosana

Page 9: Publication 11 · 2021. 2. 8. · Na dia mbola tsy atahorana ho ringana aza ny drakaka (vokatra vokajy ho eo amin’ny 3.500 taonina isan-taona) dia ahitàna fahavitsian’ny vokatra

BOKY TORO LALANA HOAN’NY MPITRANDRAKA DRAKAKA / FITSIPIKA IRAISANA

17Rafitra ifampifehezana eo amin’ny samy mpitrandraka drakakaRafitra ifampifehezana eo amin’ny samy mpitrandraka drakaka16

V. Eo amin’ny fanjakana (misahana ny jono sy ny hazandranomasina)

IV. Eo amin’ny tsena (fandraisana, fitehirizana, famarotana)

Ny fiandrasana ny fisokafan’nyorinasadia mampitombo ny fahafatesan’ny drakaka

Tsia !- Mihomana ny handray entana isan’andro, indrindra mandritry

ny fahavaratra (fotoana maha-tondraka ny vokatra) nefa mety ho sahirana eo amin’ny fitaterana azy nohon’ny toetra andro.

IV.1. Orinasa dia mpanondrana drakaka any ivelany

tandremo

SAMIA HO TOMPONANDRAIKITRA

NDAO AROVANA NY TAHIRIMBOKATRA HOAN’NY

TARANAKA HO AVY

Eny !

IV.2. Lalàna

Hajaina ny lalàna mifehy ny drakaka rehefa mividy azy :--> fara fahakeliny mirefy 10 cm ;--> fiarovana ny drakaka manatody na miofaka.

Fanentanana

Fanarahamaso’ny CSP eny an-tsena

V.1. Fanentanana- Entanina ireo mpandraha-

raha eo amin’ny sehatra drakaka mba hanaja ny lalàna manankery, ham-piasa ny fomba fitrandra-hana vaovao, eo amin’ny fanjonoana, fikarakarana, fitaterana mba hampi-henàna ny talna-pahafate-sana ka hampi-tombo ny tombotsoa azo.

- Ho dinihina ny mahamety ny

--> fanovàna ny haben’ny drakaka

--> ferana araky ny ha-ben’ny toerana hitrandraha-na azy ny haben’ny drakaka.

V.2. Atao matotra ny fam-piharana ny lalàna eny an-tsena:- hamafisina ny andraikitry

ny centre de surveillance des pêches eo amin’ny fampiharana ny lalàna eny antenàn-dehibe ;

- entanina ny mpivarotra mba hanangana toerana voarakotra, hanenàna ny taha-pahafatesan’ny drakaka, ary iarovana azy amin’ny masoandro sy ny orana.

Page 10: Publication 11 · 2021. 2. 8. · Na dia mbola tsy atahorana ho ringana aza ny drakaka (vokatra vokajy ho eo amin’ny 3.500 taonina isan-taona) dia ahitàna fahavitsian’ny vokatra

FISY TEKNIKA N° 1 FISY TEKNIKA N° 1

BOKY TORO LALANA HOAN’NY MPITRANDRAKA DRAKAKA / FITSIPIKA IRAISANA

1918

Trano fitehirizana entana

Hetsika atao Fitehirizana ny drakaka anaty trano malalaka.

Ireo voakasiky ny ezaka An-tanàna na an-toby.

Ireo mpandraharaha Mpanangom-bokatra, mpamongady.

Tanjona sy fanamari-hana

• Fiarovana amin’ny masoandro sy orana.• Fiarovana amin’ny rivotra maina amin’ny

fametrahana takelaka itazonana ny hamandoana.• Famerana ny fahapotsiran’ny drakaka.• Fitazonana ny hamandoana amin’ny

fandrakofana ravinkazo ny tany sy ny fanondrahana azy ranomasina matetika.

Tehirizina ao amin’ny trano fonenana

trano vita amin’ny baobao na satrana

Trano vita amin’ny satrana tanteraka

Trano fandraisana entana vita amin’ny vondro

Eny !Tsia !

Eny ! Eny !

Ireo drakaka tehirizina anaty trano dia azo atao anaty sobika rehefa voafatotra sy misy fotaka, na koa alefa mandehadeha eo ambony ravina honko mando.

Toerana Takatry ny sarety/fiarakodia. Lavitry ny afo, setroka ary ny maloto rehetra

Karazana trano eva

Karazany roa (2) : - trano fitehirizana fotsiny ;- trano fandraisana entana sy fitehirizana, mizara efitra 2, misy varavarana roa (2) :

a) fandraisana (fanavahana, fandanjana, fanosorana fotaka, fametrahana anaty sobika na gony);b) fitehirizana (anaty sobika na gony ).

Haben'ny trano Mety miova araky ny habetsahan’ny vokatra isan-kerinandro ny ampiasana azy, misy na tsy misy akalana fara-fahakeliny : halavany 5 m, sakany 4 m, ahavony 2,5 m.

Ny trano fandraisana sy fitehirizana dia mety mihoatra ny 10 m ny halavany.

Fitaovana ampiasaina

Fitaovana misy eo an-toerana toy ny satrana, vondro, baobao, honko.

Fe-potoana hanangana

1 na 3 herinandro (araka ny fahitana ny fitaovana sy ny fahaiza-manao ny mpanorona).

Vidiny 150.000 ka hatramin’ny 300.000 ariary.

Faharetany, fikojana

3 na 5 taona araka ny toetr’andro sy ny fikojana azy amin’ny fanoloana izay simba.

Fanenana ny fahavoazana sy ny fiatraikany eo amin'ny toe-ka-rena

Tahapahaverezana : - fitehirizana andavarangan’ny trano fonenana : 11 - 12 %- fitehirizana ao anaty trano eva : 7 %Fidirambola fanampiny : 160 000 Ar isaky ny mandehaFe-potoana iverenan’ny vola nampiasaina in-droa mamatsy entana (latsaky ny 1 volana)

Fanamarihana samihafa

• afatotra ary sivanina ny drakaka mialohan’ny fitehirizana.• tsy dia kirakiraina be loatra.• hajaina ny fatrany anaty sobika na gony.• esorina isaky ny 2 na 3 andro izay simba.

Trano misy akalana, drakaka anaty sobika na gony.

Fanondrahana afaka 2 na 3 andro nitehirizana.

Page 11: Publication 11 · 2021. 2. 8. · Na dia mbola tsy atahorana ho ringana aza ny drakaka (vokatra vokajy ho eo amin’ny 3.500 taonina isan-taona) dia ahitàna fahavitsian’ny vokatra

BOKY TORO LALANA HOAN’NY MPITRANDRAKA DRAKAKA / FITSIPIKA IRAISANA

2120 FISY TEKNIKA N° 2 FISY TEKNIKA N° 2

Vovo sy vala fitehirizana

Fitehirizana eo ivelan’ny tranon’ny mpanjono

Vovo isambatan’olona

Arotsaka anaty vovo ny drakaka anaty vavarano

Vala eo amin’ny dobo kely

Ny drakaka tehirizina anaty vovo dia tsy maintsy afatotra ny tanabeny.

Tafo

> 50cm ao anatin’ny tany

1,5 - 2m

3 x 3 m

Eny !Tsia !

Hetsika atao Fitehirizana drakaka anaty vovo na vala

Ireo voakasiky ny ezaka Fitehirizana an-tanàna na toby na toerana amoriana entana

Ireo mpandraharaha Mpanjono, mpanangom-bokatra

Tanjona sy fanamarihana

• Fitehirizana amin’ny toerana voa-janahary (ranomasina sy ala-honko) ;

• Fikajiana ny fomba fitehirizana amin’ny alalan’ny toetran’ny toerana (hafanana,oxygène, lanjan’ny sira anaty ranomasina, ary fisian’ny sakafo-atody zana-tondro) ;

• Fampitomboana ny faharetan’ny fitehirizana.

drakaka nofatorana

Karazana Vovo

Vovo Vala

Toerana Vava rano kely eny amin’ny helidrano na anaty ala honko mahazo rano madio isaky ny samonta.

Fampiasana azy

Vovo kely ampiasaina isam-batanolona na fianakaviana iray.

Vala be ikambanana ampiasain’ny mpanjono maro na mpanangom-bokatra

Refiny Halavany 1mSakany 1mAhavony 1m

Miova araky ny habetsahan’ny vokatra isan-kerinandro. Hoan’ny mpanangom-bokatra mahavory 1 na 2 taonina/heri-nandro dia : • 3 m ny halavany, 3 m ny sakany.• 1,5 na 2 m ny ahavony araky ny

ahavon’ny ranomasina.• rakofana arato na tafo satrana mba

hiarovana ny masoandro rehefa maina ny rano.

• alevina 50 cm anaty tany ny fototra ary afatotra ny tanaben’ny drakaka mba tsy ahafahany mandavaka sy milefa.

Fitaovana ampiasaina

Tsatoka amin’ny honko rakofana harato efa niasa ary fatorana tady

Izay hazo misy eo an-toerana ary rakofana arato efa niasa na satrana

Fe-potoana hanangana

1 andro. 1 na 2 herinandro.

Vidiny 35 000 Ar. 100 000 na 150 000 Ar.Faharetany, fikojana

1 taona, miankina amin’ny fikojana azy.

Mbola tsy voafetra.

Fanenana ny fahavoazana sy ny fia-traikany eo amin'ny toe-karena

Tahapahaverezana :- fitehirizana amin’ny sobika na gony : 3 - 4 %- fitehirizana anaty vala : 1 %Fidirambola fanampiny : 3000 Ar isan-kerinandro.Fe-potoana iverenan’ny vola nampiasaina : 3 volana.

Fanamariha-na samihafa

• Afatotra ny drakaka vao harotsaka anaty vala, vovo.• Arahi-maso ary amafisina ny arato fa mitarika

fahaverezan’ny drakaka.• Andramana ny fampiasana ny valabe itambarana.

Eny !Eny !

Page 12: Publication 11 · 2021. 2. 8. · Na dia mbola tsy atahorana ho ringana aza ny drakaka (vokatra vokajy ho eo amin’ny 3.500 taonina isan-taona) dia ahitàna fahavitsian’ny vokatra

BOKY TORO LALANA HOAN’NY MPITRANDRAKA DRAKAKA / FITSIPIKA IRAISANA

2322

Sarety nasiana fanamboarana

FISY TEKNIKA N° 3FISY TEKNIKA N° 3

Fitaterana sobika amin’ny sarety tsotra

Fitondrana entana afaka esorina

Sarety voavoatra miaraka amin’ny sobika sy lamba fiarovana

Sarety namboarina sy fitondrana entana azo esorina

Eny !Tsia !

Hetsika atao Tovànana akalana ny sarety ary ampiakarina ny ribany dia asiana rakotra / tafo.

Ireo voakasiky ny ezaka Fitaterana amin’ny lalan-dratsy

Ireo mpandraharaha Mpanangombokatra, mpitatitra

Tanjona sy fanamarihana

• Fialàna amin’ny fahapotseran’ny drakaka nohon’ny fampiasana akalana sy ny fanakelezana ny sobika.

• Fitazonana ny hamandoana , fiarovana amin’ny hafanana, orana sy rivotra

Ajalana fiton-drana entana

Akalana fitondrana entana vao noforonina ny an’ny sarety mahazatra dia azo esorina raha ilaina.

Fanovana ny haben’ny sobika

Fampihenana ny lanjan’ny sobika iray ho 30 na 40 kg fa tsy 100 kg ary fampitomboana ny isany tsy ho 3 fa 8 na 12 isaky ny mandeha (4 na 6 eo ambany ary 4 na 6 eo ambony akalana).

Refin’ny sobika 50 cm ny sakany ary 35 cm ny hahavony.Refin’ny aka-lana fitondrana entana

Halavany : 1,60 m sakany : 1,10 m (haben’ny sarety mahazatra) hahavony : 0,60 m (raha 0,15 m ny an’ny sarety mahazatra). Ny rihana voalohany amin’ ny akalana dia miala 0,40 m ny vatan’ny sarety.

Fitaovana ampiasaina

Amin’ny hazo matanjaka hita eny an-toerana, tsy asiana takelakazo mba hanamaivana sy hahamora ny vidiny.

Fe-potoana hanangana

Herinandro, miankina amin’ny fahitana azo.

Vidiny 250.000 ka hatramin’ny 300.000 ariary ny iray araky ny filazan’ireo mpandrafitra eny ambanivohitra.

Faharetany, fikojana

2 na 3 taona, miankina amin’ny fampiasana azy (haratsian’ny lalana, amaroan’ny fivezivezena) ary ny fikolokoloana azy (fiarovana ny hazo, fanoloana izay simba).

Fanenana ny fahavoazana sy ny fiatraikany eo amin'ny toe-ka-rena

Tahapahaverezana :- sarety nentipaharazana : 14 %- sarety nasiana fanamboarana : 8 - 9 %Fidirambola fanampiny : 24 000 Ar isaky ny mandeha.Fe-potoana iverenan’ny vola nampiasaina : 4 volana.

Fanamarihana samihafa

Raha mandeha alina, na andro manorana dia rakofana amin’ny lamba tsy lena. Nefa kosa raha mandeha atoandro dia lamba soga na lamba maivana no ampiasaina.

Lamba na labasy

Ranomasina (fanondrahana)

fitondrana entana

Eny !Eny !

Page 13: Publication 11 · 2021. 2. 8. · Na dia mbola tsy atahorana ho ringana aza ny drakaka (vokatra vokajy ho eo amin’ny 3.500 taonina isan-taona) dia ahitàna fahavitsian’ny vokatra

BOKY TORO LALANA HOAN’NY MPITRANDRAKA DRAKAKA / FITSIPIKA IRAISANA

2524 FISY TEKNIKA N° 4 FISY TEKNIKA N° 4

Fitaterana amin’ny vata vita amin’ny hazo

Fitaterana drakaka amin’ny sobika

Afaka mifampiditra ny vata tsy mitovy habe

Vata hazo anaty lakana mpitatitra

Vata efa niasa(votabia)

Eny !Tsia !

Eny ! Eny !

Hetsika atao Fanoloana ireo sobika satrana amin’ny vata hazo

Ireo voakasiky ny ezaka Fitanterana an-dranomasina, amin’ny sarety sy ny fiara vaventy

Ireo mpandraharaha Mpanangombokatra, mpitatitra ary orinasa mpanondrana

Tanjona sy fanamarihana

• Fampihenana ny isan’ny drakaka potsitra (maratra dia maty)

• Fihazonana ny hamandoana ary fiarovana amin’ny hafanana amin’ny fampiasana hazo satria sady mitana rano io ary tsy dia handairan’ny hafanana loatra

Fampiasana vata misy sarony

Ampiasaina amin’ny sarety nasiana fanamboarana, amin’ny fiara vaventy, amin’ny lakambe manana toerana malalaka.Raha amin’ny lakankely dia asiana akalana, ary ny sobika atao ao ambany, ny vata hazo atao eo ambony akalana

Ny mahatsara sy maharatsy ny vata miohatra amin’ny sobika

• Mahatsara : manena ny fahapotsiran’ny drakaka ary mitana hamandoana sy hatsiaka.

• Maharatsy : mavesatra, somary lafo ampanamboarana, voafetra eo amin’ny fampiasana azy amin’ny lakana satria tsy afaka miforitra.

Habeny sy lanjany

Karazany 2 ny habeny, amin’izay afaka mifampiditra eo amin’ny fitondrana azy amin’ny lakana na sarety, raha mbola tsy misy entana ao anatiny. • Vata kely : halavany 50 cm, sakany 40 cm, ahavony 40

cm , lanjany 9 kg • Vata lehibe :halavany 70 cm, sakany 50 cm, ahavony 50

cm, lanjany 15 kg Fitaovana anam-boaran’azy

Takelakazo kesika mirefy 1,2 cm ny hateviny ary 13 cm ny sakany, azo atao ny mampiasa ireo vata efa nampiasaina tamin’ny fitondrana voatabia na voankazo satria mora kokoa ireny.

Fe-potoana anamboaran’azy

3 andro raha natao tamin’ny takelakazo kesika vaovao

Vidin’ny fanam-boarana azy

Vata kely , takelakazo vaovao : 13 000 Ar ny iray Vata lehibe , takalakazo vaovao : 22 000 Ar ny iray Vata efa niasa : 6 000 Ar ny iray

Faharetany eo amin’ ny fampia-sana azy

Vata vita amin’ny takalakazo vaovao: 6-9 volana vata efa niasa: 1 na 2 volana (mety amboarina amin’ny fanoloana izay simba)

Fanenana ny fahaverezanasy ny vokany ara-toekarena

Tahapahaverezana :- fitaterana an-dranomasina amin’ny sobika : 25 %- fitaterana an-dranomasina amin’ny vata hazo : 9 %Fidirambola fanampiny : 120 000 Ar isaky ny mandeha.Fe-potoana iverenan’ny vola nampiasaina : in-telo mandeha (1 volana)

Fanamarihana hafa

Mora nohon’ny hazo kesika avy any afovoan-tany ny hazo maivana ita eny an-toerana (harofy, mainaty)

Vata hazo afaka atao mifampiditra ary mety mifampitaingina. Manamora ny fibatàna azy ny tady mahazaka eo amin’ ny vatany.

Page 14: Publication 11 · 2021. 2. 8. · Na dia mbola tsy atahorana ho ringana aza ny drakaka (vokatra vokajy ho eo amin’ny 3.500 taonina isan-taona) dia ahitàna fahavitsian’ny vokatra

BOKY TORO LALANA HOAN’NY MPITRANDRAKA DRAKAKA / FITSIPIKA IRAISANA

2726

Akalana mety esorina / lakana fitateran’entana

FISY TEKNIKA N° 5 FISY TEKNIKA N° 5

Fametrahana lafika takelaka eo amin’ny vody lakana

Antony roa no ametrahana lafika takelaka eo amin’ny vody lakana• fiarovana ny entana tsy hiaro amin’ny rano maloto

mitoby ao amin’ny fanambanin’ny lakana.• ahafahana mamatratra vata.

Akalana mety esorina

Asiana nomerao ny rantsan’ny akalana mba ahamora ny fanesorana sy ny fametrahan’azy (eo amin’ny famindrana ny lakana na fitondrana entana hafa).

Maridrefiny Refesina amin’ny metatra mivadidroa araky ny haben’ny lakana fitateran’entana elanelàn’ny fanambanin’ny lakana sy ny akalana 45 cm raha kely indrindra (ahavon’ny kesika kely : 40 cm).

Fitaovana anam-boaran’azy

Takelakazo mafy mirefy 15 cm ny sakany ary 2,5 cm ny hateviny, hazo maventy mirefy 10 cm X 10 cm no milanja ny takelaka.

Fe-potoana anamboaran’azy

Herinandro raha hita eo an-toerana ny hazo.

Vidiny Miova araky ny haben’ny lakana. Ho an’ny lakana mirefy 12 m ny halavany ary 2,5 m ny sakany dia 480 000 Ariary.

Faharetany 2 na 3 taona, miankina amin’ny lanjan’ny entana sy ny fanoloana izay faritra simba.

Fanamarihana samihafa sy sosokevitra

Ny fametrahana akalana dia mampitombo ny lanjan’ny lakana (eo amin’ny 1/2 taonina amboniny amin’ny lakana mirefy 12m).

Lakana fitateran’entana mirakotra lamba ary mitondra sobika ao ambany ary vata eo ambony.

Fitaterana drakaka amin’ny sobikatsy misy akalana

Fametrahana akalana eo afovoan’ny lakana

Sary ahitàna ny fametrahana akalana, sobika sy vata anaty lakana

Akalana eo ampanamboarana

akalana > 45cm

Eny !Tsia !

Eny ! Eny !

Hetsika atao Fametrahana akalana mety esorina amin’ny lakan-kazo mandeha lay.

Ireo voakasiky ny ezaka Fitaterana andranomasina.

Ireo mpandraharaha Mpanangombokatra.

Tanjona sy fanamarihana

Fanenana ny tahan’ny drakaka potsitra na maty (vokatra anaty sobika na gony) amin’ny fampiasana akalana mba tsy hifanindry ny sobika na ny gony.

Page 15: Publication 11 · 2021. 2. 8. · Na dia mbola tsy atahorana ho ringana aza ny drakaka (vokatra vokajy ho eo amin’ny 3.500 taonina isan-taona) dia ahitàna fahavitsian’ny vokatra

Lalàna laharana 16 365/2006

Ny fitrandrahana, izany hoe : ny fanjonoana, ny fivarotana, ny fividianana, ny fitaterana ny drakaka monina anaty ala honko izay latsaky ny zato (100) milimetatra ny refiny eo anelanelan’ny tsilo roa amin’ny vatany dia voararan’ny lalàna.

Tsy azo atao koa ny mitrandraka ny drakaka miofaka na vavy mitondra atody.

tandremo

SAMIA HO TOMPONANDRAIKITRA

NDAO AROVANA NY TAHIRIMBOKATRA HOAN’NY

TARANAKA HO AVY

NOTES

Page 16: Publication 11 · 2021. 2. 8. · Na dia mbola tsy atahorana ho ringana aza ny drakaka (vokatra vokajy ho eo amin’ny 3.500 taonina isan-taona) dia ahitàna fahavitsian’ny vokatra

NOTES

Page 17: Publication 11 · 2021. 2. 8. · Na dia mbola tsy atahorana ho ringana aza ny drakaka (vokatra vokajy ho eo amin’ny 3.500 taonina isan-taona) dia ahitàna fahavitsian’ny vokatra

Ny SMARTFISH dia fandaharan’asam-paritra eo amin’ny sehatry ny jono izay sahanin’ny Komitin’ny Ranomasimbe Indianina, vatsian’ny Firaisambe Eropeana vola ary tanterahany miaraka amin’ny vondron’ny Firenena Mikambana misahana ny ara-tsakafo sy ara-pambolena. Ny SMARTFISH izay manana fotodrafitrasa manenika firenena 20 eo amin’ny faritry ny Ranomasimbe Indianina, Afrika Atsinanana sy Atsimo dia mametraka tanjona ny fahaiza-mitantana, ny fikarakarana, ny fanarahamaso ny tsena sy ny fiarovana ny tahirin-tsakafo eo amin’ny sehatry ny jono.

Eo amin’ny lafiny Tetikasa Fanenana ny Fahaverezana ao aorian’ny Fanjonoana, ny F.A.O, miaraka amin’ny Ministera misahana ny jono sy ny harena anaty rano eo anivon’ny Governemantan’i Madagasikara dia nanonta ity boky kely ity mba hanampiana ireo mpitrandraka drakaka isan-tsokajiny hanantsaran’izy ireo ny fomba fitantanana sy ny kalitaon’ny vokatra.

Ity boky kely ity dia manome tahirin-kevitra sarobidy, ala-olana ary fomba fiasa tsotra amin’ny fampiasana ny kisarisary manazava ny teny mba hanamora ny fanarahana sy ny fampiasana ny toro-marika eo am-panatanterahana ny asa andavanandro.