155
1 NY KITIK’ ANDRIAMANITRA Fianarana mandeha ao amin’ny ‘supernaturel’ Mike D. Robertson

The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

Embed Size (px)

DESCRIPTION

The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

Citation preview

Page 1: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

1    

NY KITIK’

ANDRIAMANITRA

Fianarana mandeha ao amin’ny ‘supernaturel’ Mike D. Robertson

Page 2: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

2    

FANOLORANA

Hoan’ireo mpino mahafinaritra indrindra niaraka tamiko sy Karen tao:

Visalia First Assembly of God

Tokony hanana fiangonana tahakan’io ny mpitandrina rehetra na dia indray mandeha eo amin’ny androm-piainany ihany aza

Page 3: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

3    

VOTOATINY Fampidirana……………………………………………………………. Fizarana 1 Tongasoa ato amin’ny Kitik’Andriamanitra………….. Fizarana 2 Tsy dia sarotra araka ny eritreritrao…………………. Fizarana 3 Miala amin’ny mahazatra……………………………… Fizarana 4 Mianatra mamantatra………………………………….. Fizarana 5 Mandresy ny sakana amin’ny Kitik’Andriamanitra….. Fizarana 6 Ny mpaka risika………………………………………… Fizarana 7 Bitsika sy vola………………………………………….. Fizarana 8 Tahotra momba ny fahafenoan’ny Fanahy………….

Fampiasana ny Bitsik’Andriamanitra any am-pianarana sy ny vondrona

Page 4: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

4    

FAMPIDIRANA

TENY FITO MAHAGAGA

Izay ifantohan’ny sainao no ho tonga aminao ! Efa mba nandalo tao an-tsainao ve ny fanontaniana hoe, nahoana ny olona sasany no mahomby fatratra eo amin’ny fiainany ? Toa manjary volamena avokoa izay rehetra voakasiky ny tànan’izy ireny. Eo ankilany kosa anefa, mety efa nipetraka tao an-tsainao koa ny fanontaniana hoe, nahoana kosa ny olona sasany no toa tsy mba mety mahita izany fahombiazana izany mihitsy? Izay rehetra kasihin’izy ireny kosa, dia toa rava sy mandamoka avokoa. Toa nanjary nazava tamiko nanomboka teo fa ny olona manam-pifaliana sy milamin-tsaina dia toa manana fahafahana manintona izay iriany ho tonga eo amin’ny fiainany; ny mifanohitra amin’izany koa dia mazava arak’izany ihany…raha misy olona tsy manam-pifaliana sy mivesatr’olana, dia toa tsy mba mahavita misarika ny soa ho tonga eo amin’ny fiainany mihitsy. Inoako fa ny antony voalohany mahatonga ny olona tsy hahazo izay iriany amin’ny fiainany dia satria mandany hery betsaka loatra amin’ny zavatra TSY iriny akory izy ireny ! Raha manontany anao aho ohatra hoe : « Maniry ny ho rera-tsaina ve ianao ? » mino aho fa hamaly ianao hoe : « Tsia ! » Nahoana anefa isika matetika vao miarina avy eo am-pandriana dia efa ao an-tsaintsika sahady ny hoe : « Tahaka ny tsy metimety mihitsy aho izany, tena reraka be sahady ny saiko zany. » Apetrako aminao indray ny fanontaniana, raha maniry ho voan’ny lefan-kozatra(arthrite) ianao, dia hamaly koa ianao hoe : « Tsy mahazo ahy izany!» Ny zava-misy anefa matetika, nahoana rehefa sendra misy manaintaina amin’ny tenatsika no tonga dia mifantoka amin’ny lefan-kozatra avy hatrany ny saintsika, ilay zavatra tsy iriantsika. Sarotra amintsika ny hisarika ny soa ho eo amin’ny

Page 5: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

5    

fiainantsika rehefa mifantoka lava amin’ny ratsy ny saintsika. Izay ifantohan’ny sainao no ho tonga aminao. Alaivo sary an-tsaina anie ianao, eny am-pitondrana fiara, misy saina ratsy tonga ao anatinao. Arakaraka ny ifantohanao amin’izany no itomboan’izany sain-dratsy izany ao anatinao. Alaivo sary an-tsaina kosa, mitondra fiara ihany ianao fa zavatra tsara kosa no ifantohan’ny sainao…saina araka an’Andriamanitra. Na izaho na ianao dia tokony hanazatra ny saintsika amin’izany isan’andro isan’andro eo amin’ny fiainantsika. Mila misafidy isika : Handray ny làlana mitondra mankany Ambohitsaindratsy ve aho sa handray ny sampanana mitondra mankany Ambohitsaintsara ? na mankaiza na mankaiza ny làlana nosafidianao, ny karazan’olona rehetra dia handray anao miaraka amin’ny fomba fisainany, izay nosafidian’izy ireo avy koa. Izao ny fanontaniana manaraka: Ahoana ary no ahafahako manana fisainana tsara ? Mamelà ahy hampiseho anao ny fomba hitrandrahana izany saina araka an’Andriamanitra izany. Ao amin’izany saina araka an’Andriamanitra izany no ahazoantsika ny Kitik’Andriamanitra. MIAINA IVELAN’NY FOMBAFOMBA Hoy ny Romana 12 :2 amintsika, « Ary aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina. » Raha alaina ara-keviny ny hoe « fanaon’izao tontolo izao » dia azo adika koa amin’ny hoe « fombafomban’izao tontolo izao. » Izay no fototr’ity boky ity, manana fiainana hafa ho antsika Andriamanitra, ivelan’ny fombafomban’izao tontolo izao !

Aza manaraka ny fanaony…Araka ny teny fototra Grika nandikana ny teny dia hita ao anatin’io ampahan-tSoratra Masina io ny hoe « suschematizo » na « manahaka » na « manaraka » araka ny nandikàna azy eto (manahaka ny fomba ivelany sy ny toetra anaty),

Page 6: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

6    

manahaka fomba fiaina araka ny modely napetrak’izao tontolo izao. Milaza i Paoly fa tsy tokony hanahaka, na ho voafehy na ho voataonan’ny fombafomban’izao tontolo izao ny momba ny tenatsika –fa aoka havaozina…mitaona antsika hiova filamatra ny tenin’i Paoly eto, izay azo adika koa hoe miampita na mamadika pejy. Ny fototry ny hafatra dia izao, tsy maintsy mitady fiainana hafa ivelan’ny fombafomba sy ny momba ny tenatsika fotsiny isika. Afaka manao izany isika. Ny mpanaraka an’i Kristy no tena nantsoina hahomby amin‘izany.

Efa zatra loatra mihevitra ny tenatsika ho nofo fotsiny ihany isika fa tsy fanahy koa. Miaina amin’ny tontolo sy kolotsaina izay manome lanja betsaka izany fomba fisainana izany isika, mandray ny momba antsika ho toy ny endrika ivelany fotsiny, tsy manome lanja ny ao anaty. Ny hoe « miova » dia ny fahafahana mihoatra izany endrika ivelany izany - ny maha nofo fotsiny – ny taolana, ny hoditra, rantsana sy ny hoho, na koa ny lalan-drà…sns. Mahaliana ny mahafantatra fa ny 95% -n’ny zavatra hita ao anatin’ny vatantsika dia hita ao anatin’ny kisoa koa !

Voafetra ny tontolonao raha tsy miaina afa-tsy ho an’ny nofonao sy ny endrikao ivelany fotsiny ihany ianao. Afaka misandratra ambony araka izay takatrao ianao, mihazakazaka mafy araka izay vitanao, miasa mafy araka izay tratranao.

Na izany aza anefa, raha makà fotoana kely fotsiny ianao mandinika, dia ho hitanao fa misy lafin-javatra eo amin’ny maha-ianao anao izay tsy voafetran’ny fahafaha-manaon’ny nofonao, tsy voafehin’ny eritreritrao na ny fisainanao intsony. Afaka maka sary an-tsaina ny tenanao ianao manao zavatra tsy mbola vitanao hatramin’izay. Afaka maka sary an-tsaina ianao hoe, miaina fiainan-tsambatra eo amin’ny fifandraisanao amin’ny vadinao ohatra. Na oviana na oviana no hakanao sary an-tsaina an’izany zavatra lehibe

Page 7: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

7    

rehetra izany, dia miditra amin’ny tontolo izay mihoatra ny fetra apetraky ny nofonao ianao.

Nandre ny tantaran’ity rangahy iray aho indray andro, izay sahiran-tsaina mafy nitady ny fanalahidiny teo ambany jiron’ny arabe eo ivelan’ny tranony, alina ny andro tamin’izay. Nisy ramatoa iray nandalo tamin’io fotona io, nahatsikaritra ity rangahy ity, toa sahiran-tsaina mafy miondrikondrika, toa mitady zavatra, tsy naharitra ilay ramatoa fa nanontany azy izay tadiaviny. Namaly ilay rangahy hoe: « very tao an-tranoko ny fanalahidiko… » Somary gaga tamin’ny teny navaliny ilay ramatoa, ka nanontany indray hoe : « ka nahoana no ety ivelan’ny tranonao no itadiavanao azy raha fantatrao fa tao anatiny no nahalatsaka azy ? » namaly ilay rangahy hoe : «…ka satria mazava kokoa ny eto ivelany .» Toa adaladala sy mahatsikaiky izany tantara izany, nefa tsy misy hafa amin’izany ny ataontsika rehefa mitady vahaolana momba ny tena any ivelan’ny tenatsika isika.

Mora kokoa amintsika ny mamaritra ny momba ny tenatsika amin’ireo toetsika ivelany noho ny mamaritra ny toetsika anaty izay tsy hitan’ny masotsika na tsapatsika. Moramora kokoa amintsika izany satria izany no fomba fanaon’ny olona rehetra, isika koa anefa tsy te-hiavaka ao anatin’ny maro. Raha sendra mba miteny amin’ny tanora iray ianao hiala amin’ny maro, dia azo antoka fa hamaly anao izy hoe : « tsy te-ho lazain’ny olona hoe hafahafa na faly te-hanava-tena aho. »

Ny mampalahelo dia tsy te-hiharan’ny fanakianan’ny hafa isika, fanakianana izay tsy maintsy iaretan’ny olona sahy sy manana fisainana miavaka amin’ny maro.

Page 8: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

8    

AFAKA MANANA ANJARA AMIN’IZANY KITIK’ANDRIAMANITRA NY TSIRAIRAY AVY

Misy namako iray mpanara-dia an’i Kristy koa ; nolazaiko taminy fa manoratra boky mitondra ny lohateny hoe : « Ny Kitik’Andriamanitra » aho. Nikentrona izy, tsy azony izay tiako ihaviana amin’izany, nanomboka nanazava taminy aho fa mikasika ny fomba tokony hiainantsika ilay tontolo tsy hita maso, mihoatra ny voajanahary, izany. Mialoha kely ny fotoana tsy nihaonako taminy intsony izany. Nilaza tamiko izy fa tsy mbola niaina mihitsy tao anatin’izany tontolo izany. Tsy nampoiziko ny teny nolazaiko taminy tamin’izay, hoy aho hoe : « Afaka ny hiaina ao anatin’izany ianao. » Samy afaka hiaina ao anatin’izany Kitik’Andriamanitra izany avokoa ny olona rehetra raha tsy miankina amin’ny retsim-pahatsapana dimy(5 sens) isika fa miditra kosa manaraka fotsiny ny onjan’ny riakan’ Andriamanitra.

Tena fitaovana mahery vaika ny saintsika. Afaka ovaina anefa izany. Samy manana retsim-pahatsapana fahenina na ny sixième sens avokoa ny olona rehetra. – rehefa mahay miditra ao amin’izany sixième sens izany isika, dia ny lanitra no fetra amin’izay azotsika nofinofisina sy tanterahina ary koa atao ho an’Andriamanitra.

Nosoratana mba hampianatra anao hiditra amin’izany fomba fiainana mihoatra ny taovam-pahatsapana dimy izany ny Kitik’Andriamanitra – Mba hampitombo hery ny fanahy ao anatitsika tsirairay avy, ka ahafahantsika miaina araka ny fiainana niantsoana antsika, araka ny maha-mpanara-dia an’i Kristy antsika.

Page 9: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

9    

Tahaka ny olona maro hafa, dia anisan’ny efa namaky ny Baiboly im-betsaka koa aho. Matetika no efa nandalo tato an-tsaiko ny hoe : « Tena tiako raha mba ampiasain’Andriamanitra tahaka an’i Jesosy sy ireo mpaminany tao amin’ny Testamenta Taloha aho. » Mora amiko koa anefa ny manala tsiny ny tenako ka miteny hoe, « Ny famantarana sy ny fahagagana dia hanaraka ireo tena masina be. » Tena izany mihitsy ny tao an-tsaiko matetika. Nanova ny fomba fisainako aho taty aoriana. Nanomboka nangataka tamin’Andriamanitra aho, mba hampiasa ahy miaraka amin’ny famantarana sy ny fahagagana. Hoy ny Baiboly, « Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino… » (Marka 16 :17). Efa an-taonany maro izao no nifantohako tamin’izany, ary manantena ny hampisehoan’Andriamanitra izany zava-mahagaga izany amin’ny fiainako aho isan’andro. Inona tokoa hoy ianao ? Tena mitranga eo amin’ny fiainako tokoa izany. Isaky ny fotoam-bavaka, dia mahita famantarana sy fahagagana aho, satria mifantoka amin’izany zavatra tiako hitranga izany aho, mihoatra noho ny amin’ny zavatra hafa izay tsy tiako hitranga.

Ao anatin’ireto Fizaràna maromaro ato amin’ny boky ireto, dia hahita karazan’olona samihafa isika avy ao anaty Baiboly, izay nahay niditra tao amin’izany fahatsapana fahenina tao aminy, na ny sixième sens. Ny zavatra vitany notanterahana tamin’ny alalan’ny Kitik’Andriamanitra dia mbola fantatra sy malaza amintsika mandraka androany. Ny filazan’i Jim Rohn no anisan’ny tena mahafehy izany, dia ny hoe : «Tokony ho fomba fanaonao eo amin’ny fiainanao ny mamela fijoroana vavolombelona ho an’ny hafa any aoriana» - Jim Rohn. Manome antoka ny hahatanterahanao izany ny

«Tokony ho fomba fanaonao eo amin’ny fiainanao ny mametraka fijoroana vavolombelona ho an’ny hafa» Jim Rohn

Page 10: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

10    

Kitik’Andriamanitra. Tokony mba hametraka tantara horesahin’ny olona maro aorian’ny fahavelomanao ianao, mialoha ny handaozanao ity tany ity. Iza no mahalala … mety ho vitan’ny hafa any aoriana izay tsy vitanao nandritra ny androm-piainanao

Mike D. Robertson

A God Nudge - Defined

Discernment, an insight, foreknowledge (n.) A spiritual premonition, feeling or sense; an illumination

(v.) A spiritual prod or push

Page 11: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

11    

FIZARANA VOALOHANY

TONGA SOA ATO AMIN’NY KITIK’ANDRIAMANITRA

Indray asabotsy alina izay, taona maromaro lasa izay, niresaka betsaka izaho sy i Karen vadiko, mikasika ny amin’ny sitrapon’Andriamanitra momba ny fiainanay sy izay hoentin’ny hoavy eo amin’ny fiainanay. Efa samy nanompo ny Tompo an-taonany maro avokoa izahay mivady ary mazoto mandrakariva handeha amin’izay toerana tian’ny Tompo hanirahana anay. Na izany aza anefa, dia toa nanana fahatsapana ihany aho tao amin’ny fanahiko tao, fa hisy fiovana hitranga tsy ho ela eo amin’ny fiainanay. Niezaka namantatra izay tian’ny Tompo nambara taminay izahay tao anatin’izany fahatsapana izany. Tsy tena mbola nazava ihany anefa ny làlan-kaleha, nitohy nivavaka ihany izahay. Natoky hatrany anefa izahay fa hanome torolàlana sy teny mazava ho anay avy any an-danitra ny Tompo.

Nonina tany Californie izahay, tamin’ny tapany avaratr’i San-Diego, nanandrify ny ranomasina. Izahay no mpitandrina mpanorina ny fiangonana iray mahafinaritra tany. Tena tianay ny tanàna, tena tianay torak’izany koa ny mponina tany, ary tena nahafinaritra anay iny faritr’I Californie iny – na izany aza anefa dia toa nisy nanesika tao am-ponay ho amin’ny fanovana. Fantatray fa tena fanapahan-kevitra goavana tokoa izany tsy maintsy horaisinay izany, ka tsy te-hanaonao foana izahay.

Page 12: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

12    

Ny andro manaraka an’io, raha vonombonona tsara aho hitondra ny tenin’Andriamanitra iny alahady maraina nahafinaritra iny, tao am-piangonanay. Dia nisy mpiandraikitra iray nilaza tamiko fa misy rangahy iray, antsoina hoe : Harald Bresden tonga manatrika ny fotoam-bavakay. Olona iray tena miavaka sy manana ny maha-izy azy maneran-tany io Rangahy io. Mpitandrina Loterana tranainy izy io, ary vita ny batisan’ny Fanahy Masina. Raha ny marina, araka ny filazan’ny olona sasany, dia io Haralad Bresden io no voalohany nametraka ny anarana hoe « charismatique, » nentina niantsoana ireo hetsika ara-pivavahana nahitana ny fahafenoan’ny Fanahy Masina.

Nitarika anay tao anatin’ny fotoam-piderana sy fiankohofana tena nahafinaritra i Karen tamin’io. Tena nahatsapa lalina ny fitahian’ny Tompo sy ny fanatrehany feno izahay tamin’io fotoana io. Tsy naharitra aho fa nanontany an’Ingahy Harald hoe : « Sao dia mba manana zavatra tiana hozaraina amin’ny mpianakavin’ny finoana ianao. »

Efa nananika ny valompolo taona izy tamin’izany, ka nitandritandrina, nandeha moramora nanatona teny anoloana. Tena voakasika lalina izy nandritra ny fotoam-piankohofana. Tsy tanany ny ranomasony raha vao nanomboka niteny izy. Nilaza izy fa tsy mbola nahatsapa fanatrehan’Andriamanitra lalina tahaka ny tsapany tamin’io fotoana io. Nanambara izy fa manana hafatra ho anay ny Tompo. Maniry ny Tompo ny hitondranay izany fiainam-panompoana amin’ny fitsaohana sy fiankohofana izany any ivelan’ny fiangonana, tsy any Amerika ihany fa maneran-tany mihitsy.

Tsapako nientana ny foko, « Izay ilay izy! » Izay fanambaran’i Harald izay ilay teny manamafy ny fahatsapana tao am-ponay, nandrasanay sy Karen hatramin’izay. Niezaka namantatra izahay raha tena sitrapon’Andriamanitra tokoa ny handao io fiangonana tany amoron-tsiraka io, ka hifindra hamonjy ny Université any atsimo andrefana, fiangonana Assemblée de Dieu ao anatin’ny Université

Page 13: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

13    

iray manakaiky an’i Dallas, any Texas. Izany Kitik’Andriamanitra izany – ny teny nambaran’i Harald Bresden – dia nanamafy tao amin’ny fanahiko ny zavatra nambaran’ny Tompo tamiko, fotoana maro tany aloha. Ny hafatra nentin’ny Harald anefa dia tsy ho ahy ihany. Somary nisalasala be ihany Karen teo aloha, ny amin’ny hoe, handao ny fiangonanay. Ankehitriny anefa dia resy lahatra tanteraka izy, fa tena nanome torolàlana mazava ho anay ny Tompo.

Rehefa vita ny fiomanana rehetra ho amin’ny fifindranay, dia lasa izahay sy Karen namonjy ny toeram-panompoana vaovao nanendren’ny Tompo anay, izay raha heverina dia anisan’ny fanapahan-kevitra manan-danja indrindra noraisinay teo amin’ny fiainanay. Lasa filoha lefitry ny « Avancement » aho tany amin’ny université, ary Karen kosa lasa mpitandrina tao amin’ny Chapelle-n’ny université. Tanora an’arivony no mandray torolàlana sy fampianarana avy aminy eo amin’ny asa fanompoana fiderana sy fiankohofana. Olona maro maneran-tany ankehitriny no mizara ny zavatra nambolen’i Karen tao am-pony. Fahatanterahan’ny Tenin’Andriamanitra izany izay nampitondrainy an’i Harald Bresden. Na izany aza anefa ny fahaizanay namantatra ny tari-dàlan’ny Tompo, dia tsy tena nazava loatra izany, mialoha ny niainanay feno ny tontolon’ny Kitik’Andriamanitra.

Nanolo-tsaina anay tamin’ny fomba maro samihafa ny Andriamanitra. Afaka miteny aminay amin’ny alalan’ny andinin-tSoratra Masina ny Fanahiny. Manazava ny fahamarinana ao amin’ny Teniny ny Fanahy Masina, ka manome anay famporisihina, na torolàlalana, na fanitsiana, eo am-pamakiana izany Teny izany. Ny Kitik’Andriamanitra dia mety ho azo avy amin’ny torohevitra omen’ny zokiolona mpiandraikitra, na namana Kristiana matotra. Matetika koa Andriamanitra no mampiasa ny fisehoan-javatra samihafa eo amin’ny fiainana, mety mametraka vato manakana ny làlantsika izy, na koa manokatra varavarana ho antsika. Ny olona sasany kosa, dia amin’ny alalan’ny nofy sy ny fahitana no hitarihany

Page 14: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

14    

azy ireo. Karazana Kitik’Andriamanitra iray manokana no tiako ifantohana ato amin’ity boky ity, dia ny « Bitsiky ny Fanahy .» Andininy maromaro ao amin’ny Baiboly no mampiseho ny fanirian’ny Fanahy Masina hiteny sy hitari-dàlana antsika. Toy ny fifandraisana am-po lalina misy eo amin’ny zanaka sy ny ray aman-dreny no hamaritan’i Paoly izany fitarihan’ny Fanahy Masina izany. Tsy hafa, fa tahaka ny ray aman-dreny tena feno fitiavana ny zanany, ka maniry hitari-dàlana azy eo amin’ny fanapahan-kevitra tokony horaisiny eo amin’ny fiainany, te-hitari-dàlana antsika koa ny Raitsika any an-danitra. Hoy Paoly :

…….« Fa izay tarihin’ny FanahinAndriamanitra no zanak’Andriamanitra .» (Romana 8 :14)

Betsaka ny olona mankany am-piangonana tsy tapaka, saingy mandeha am-pahazarana fotsiny ihany izy ireny matetika. Mihira izy, dia mandatsaka vola ao amin’ny fanatazan-drakitra, fa vantany vao mivoaka avy ao kosa izy dia adinony tanteraka Andriamanitra mandritra ny herinandro manontolo. Ny sasany indray, maniry fatratra ny hifandray amin’Andriamanitra, saingy tsy tena afaka manana fifandraisana feno sy matotra amin’Andriamanitra izy ireo noho ny fahazaran-dratsy eo aminy, izay manakana azy ireny tsy hahatanteraka izany. Ny vaovao mahafaly avy amin’Andriamanitra anefa dia izao, Ilay Andriamanitra Tsitoha, manana ny Fiandrianany amin’izao rehetra izao, no efa nandoa ny tombambidy feno ho ahy sy ho anao, mba ahafahantsika mahafatatra Azy marina tokoa. Amin’ny maha-Ray tena feno fitiavana Azy, fifandraisana mifototra amin’ny fanomezana sy ny fandraisana avy hatrany avy Aminy, no tiany apetraka eo Aminy sy amintsika. Tsy tokony raisina ho toy ny zava-baovao tsy mahazatra ny fanirian’Andriamanitra hifandray amin’ny zanany. Ahitana izao fanambarana miezinezina izao ny fiantombohan’ny filazantsaran’i Jaona :

Page 15: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

15    

« Tamin’ny voalohany ny Teny, ary Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra. » (Jaona 1 :1)

Araka ny voalazan’i Jaona, dia Jesosy Kristy no « Ilay Teny. » Tena tsy afa-misaraka amin’ny maha-Izy Azy mihitsy ny mifandray amin’ireo izay tiany – ao anatin’izany ny olona tsirairay avy eto amin’izao tontolo izao.

Araka izay ho hitatsika ato amin’ity boky ity, dia tena ankafizin’Andriamanitra tokoa ny manolo-tsaina ny zanany, tsy natao hipetraka fotsiny anefa isika ao anatin’izany. Tokony hiezaka hamboly fo malady mandre sy mamaly Azy isika. Toy ny amin’ny karazam-pifandraisana rehetra tsy tena mahazatra tahak’izany anefa, dia matetika isika no tsy tena mahazo mazava tsara ny hafatra ampitaina amintsika. Raha sendra misy fahadisoana eo fandraisantsika ny Kitik’Andriamanitra , dia tsy raisina ho zava-doza be akory izany na midika koa hoe Kristiana ambany isika noho izany. Mila mianatra mamantatra tsara ny feony fotsiny isika.

Tokony hotsaroantsika fotsiny anefa, fa mifandray amin’Ilay Mpahary an’izao rehetra izao isika. Akaiky antsika toy ny « fofon’aintsika » Andriamanitra, nefa « lavitra, ambonin’ny zavatra rehetra koa Izy. » Miondrika izy rehefa hifandray amintsika, tahaka ny ray aman-dreny amin’ny zanany, miondrika midina ambany rehefa hampiseho fitiavana ny zanany. Anisan’ny tombotsoa manokana sy lehibe indrindra eo amin’ny fiainana ny fananana fifandraisana lalina sy matotra amin’Ilay Andriamanitra Tompon’ny zava-drehetra. Toe-javatra nahagaga ny mpianatra ny nahita an’i Jesosy niaina niriaria taminy sy nifandray akaiky tamin’izy ireo. Ny Fanahy Masina kosa ankehitriny no mitoetra aty anatitsika, ary te-hifandray amintsika isan’andro, isa-minitra.

Page 16: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

16    

Tany Littlefield, Texas, izahay no nipetraka fony fahazazako – tanàna niavian’ilay mpihira country malaza koa antsoina hoe : Waylon Jennings – Mpizara gazety no asako tamin’izany. Ary satria mbola tovolahy tanora vao tany amin’ny college aho tamin’izany, dia nomena ho anjarako ny hizara gazety amin’ny làlana iray antsoina hoe : « Mocking Bird Lane. » Isan’andro, vao mangiran-dratsy aho no mandeha mametraka ny gazety eny an-tokotany na eny an-tokonam-baravaran’ny olona. Noho ny antony tsy dia fantatro loatra, dia tsy nametraka jiro nanazava ara-dalàna teny amin’ny arabe ny tompon’andraikitry ny tanàna, vokatr’izany dia voatery namakivaky ny aizina niaraka tamin’ny bisikiletako aho. Hitako fa tsy dia niraharaha loatra ny tahotro sy ny olana nosedraiko tamin’izany ireo olona miandry ny gazetiny. Tsy misy afa-tsy ny gazetiny voarainy ara-potoana sy ny vola naloany amin’ny maha-mpanjifa gazety azy no tao an-tsain’izy ireo. Isa-maraina, isa-maraina, tsy maintsy niady tamin’ny tahotro aho namakivaky ny aizina tamin’ny ampahan-dàlana anjarako, ny Mocking Bird Lane, nanatitra ireo gazetin’olona.

Taona maro taty aoriana, lesona maro no voaraiko avy tamin’izany asako voalohany izany. Te-hampita hafatra lehibe ny Tompo – te-hamaly vavaka ny olona izy. Ny fanamby lehibe indrindra ho Azy anefa, dia ny hahita olona afaka mandresy ny tahony, mihaino Azy, ary mamela Azy hampiasa azy ireo hanova fiainan’olona.

Ary nony nahita izany ilay Fariseo nanasa Azy, dia nanao anakampo hoe: «Raha mpaminany Ity, dia ho nahalala io vehivavy manendry Azy io sy ny toeny; fa mpanota io.»

Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: «Ry Simona, manan-kolazaina aminao Aho.»

(Lioka 7 :39-40)

Page 17: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

17    

Ho ahy dia tena anisan’ny zava-mahagaga ny fahafantaran’ny Jesosy ny tao an-tsain’i Simona, ary matetika aho no mametsovetso hoe, tsara kosa raha mba manana izany fahafaha-mamantatra izany koa aho. Ny Baiboly dia milaza fa AFAKA ny hahavita izany aho !

« …fa na inona na inona hangatahinareo amin’ny Ray dia homeny anareo amin’ny Anarako izany. » (Jaona 16 :23)

Tsy fantatro aloha ny hevitr’izany, raha hoe, afaka mandre mazava amin’ny sofitsika izay ao an-tsain’ny hafa isika, fa mino kosa aho anefa, fa afaka manome antsika ny fahafahana mamantatra izay any an-tsain’ny hafa Andriamanitra.

Ohatra iray isan’ny mahagaga ao anaty Baiboly ihany koa, ny tantara mikasika ny namangian’ny Jesosy ny tokatranon’i Maria sy Marta. Ary Maria nitoetra teo an-tongotr’i Jesosy, fa i Marta kosa sahirana tamin’ny asa aman-draharaha maro tao an-trano izay tsy dia nahamaika loatra. Ny Zanak’Andriamanitra mihitsy no tonga namangy tao an-tokatranony, nefa naleon’i Marta nandany andro tamin’ny fanadiovana lakozia ! Nambaran’i Jesosy fa i Maria no efa nifidy ny anjara tsara.

Mahita ny tenako ho mitovitovy amin’ny Maria aho. Mpanota liana fatratra amin’ny lafiny mahagaga sy ny tontolo hafa ivelan’ny maha-nofo aho. Inona ary hoy ianao no dia nanosika an’i Maria hanosotra diloiolo ny tongotr’i Jesosy ? Araka ny hevitro, ny Kitik’Andriamanitra izay nahery loatra tao anatiny no nanosika azy indray andro, ka nahasahiany namakivaky teo afovoan’ireo mpianatry ny Tompo, izay lehilahy avokoa, ka nipetraka teo an-tongotr’i Jesosy, tahaka izay efa fanaon’ireo mpianatra sasany koa. Nidera ny finoana tao amin’i Maria Jesosy, ka hoy Izy taminy : « … Ny finoanao efa namonjy anao; mandehana soa aman-tsara.» (Lioka 7 :50)

Araka ny hevitro, rehefa nandinika aho, dia tena an’arivorivony amin’ny fanirian’Andriamanitra, tiany ho tanteraka ety amin’izao tontolo izao, no tsy tanteraka isan’andro. Betsaka ny olona mandray ny Kitik’Andriamanitra fa mody tsy mahafantatra izany. Aza miandry

Page 18: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

18    

ny ho tonga any an-danitra vao hiteny hoe, tahak’izay, tokony nahavita an’izao mihitsy aho na izaroa.

Mihaino ny bitsik’Andriamanitra ve ianao ? Vonona ny hianatra hamaly ny Kitik’Andriamanitra ve ianao ? Rehefa mitari-dàlana anao Izy, vonona hamaly amin’ny finoana sy ny fankatoavana ve ianao ? Izany ny tontolon’ny fiainana maha-Kristiana. Hoy ny voalazan’ny bokin’ny Tantara :

« Fa ny mason’i Jehovah mijery eny tontolo eny, eran’ny tany rehetra, mba hisehoany aman-kery hamonjy izay manana fo mahitsy aminy. » (2Tantara 16 :9)

Mbola mitady olona tahak’izany Izy ankehitriny. Izaho dia vonona ho amin’izany. Ary ianao ? Rehefa mandrindra ny fiainanao ianao miainga amin’ny votoatin’ity boky ity, dia ataovy vavaka isan’andro ny mba hampiasain’Andriamanitra anao amin’izany Kitik’Andriamanitra izany. Inoy isan’andro koa fa izay nataon’Andriamanitra tamin’ny olona an’arivorivony hafa, dia azony atao aminao koa. Nanao azy ireny ho masoivohony Izy, ho toy ny fantsona fitanterana ho an’ny lanitra, hitondra fanovàna tsara (ny fandrosoan’ny Fanjakan’Andriamanitra) ety an-tany.

Isaky faran’ny fizaràna tsirairay avy no ahitanao fanontaniana, hanampy anao handinika sy hivavaka mikasika ny zavatra noraisinao tao amin’ny boky. Makà fotoana tsara mamaly izany. Tsy ny « famenoana ny banga » no tanjona, fa ny fahatokiana apetrakao amin’Andriamanitra hanampy anao hampihatra ireo fitsipika avy amin’izany fizaràna izany. Natao koa ny fanontaniana, ho toy ny tari-dalàna ho amin’ny fifanakalozan-kevitra mampandroso any an-dakilasy, na ho an’ny vondron’olona mianatra Soratra Masina. Inoako tokoa fa hampiasa ireo fanontaniana ireo ny Tompo, hamelona indray ny finoanao, hampitombo ny fahatakaranao ny Fitarihany, ary hamporisika anao ho tena mpankato tokoa, rehefa mitari-dàlana anao Izy.

Page 19: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

19    

Saintsaino kely …

1. Araka ny hitanao, inona no fomba nampiasain’Andriamanitra, nampitany hafatra, ka nentiny nanova ny làlan-kizorana teo amin’ny fiainan’ny olona, ny tolotsaina avy tamin’ny zoky Kristiana efa matotra ve ? sa tamin’ny alalan’ny toe-java-niseho samihafa ve? sa tamin’ny alalan’ny bitsiky ny Fanahy ?

2. Inona tamin’ireo no tena nampiasain’Andriamanitra betsaka teo amin’ny fiainanao ? Ahoana no fomba famalianao izany matetika ?

3. Manantena an’Andriamanitra hametraka tari-dàlana ao am-ponao ve ianao ? eny sa tsia ? nahoana ?

4. Inona no antenainao ho azo avy amin’ity boky ity ?

Page 20: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

20    

FIZARANA FAHAROA

TSY DIA SAROTRA ARAKA NY ERITRERITRAO

Inona marina moa ity Kitik’Andriamanitra ity ? Ny Kitik’Andriamanitra dia ilay fahatsapana manesika apetrak’Andriamanitra ao am-ponao sy ilay saina tonga ao an-dohanao, ka tsy mety miala ao mihitsy fa manaraka anao hatrany. Mety manainga anao Izy, hampiseho fahalemem-panahy amin’ny olona iray ohatra, na koa hilaza teny fampanantenana amin’ny namana iray, na koa hanome olona, zavatra iray lafo vidy – mety olona tsy fantatrao akory aza izany. Matetika io Kitik’Andriamanitra, dia fitarihan’ny Tompo hanao zavatra amin’ny fomba tsy mahazatra loatra. Matetika izany no miseho ho toy ny fanamby manokana mihitsy, ka mety mamerina antsika ho amin’ny fahatokiana kokoa an’Andriamanitra fa tsy amin’ny hery na amin’ny fahendrentsika. Afaka ny hibitsika amintsika amin’ny fotoana rehetra ny Fanahy, matetika aza dia amin’ny fotoana tsy anampoizantsika azy mihitsy.

Taona maro lasa izay, dia nitandrina fiangonana tany Texas izahay sy Karen vadiko. Indray andro raha iny teo am-pivavahana iny aho dia tonga tamiko ny bitsiky ny Tompo, nilaza tamiko fa tokony handeha ho any San-Diego aho. Ilay teny dia tena nazava tsara mihitsy, fa ny antony tokony andehanako kosa anefa dia tena tsy fantatro mihitsy. Betsaka loatra ny fahasahiranako ka tsy afaka mihitsy ny ho any San-Diego aho, ka dia nohazavaiko tamin’ny Tompo arak’izany ny tsy fahafahako ho any. Sady vao avy nandeha làlana lavitra be aho. Tena mahatsiaro reraka be aho noho izany,

Page 21: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

21    

betsaka koa ny asa tsy maintsy mbola novitaiko. Arakany ny hevitro dia tena mitombina tsara ny valinteniko, tsy mbola namela ahy anefa ny Tompo, fa mbola nanamafy tao anatiko ihany, hoy Izy : « Mila anao ho any San-Diego aho amin’ny herinandro ambony . »

Nanomboka niady varotra tamin’ny Tompo aho nanomboka teo, « Tompo ô, raha tena Ianao tokoa no miteny amiko, aoka ary hisy olona manome ahy tapakila maimaimpoana amin’ny fiaramanidina. Izay no famantarana ho ahy. »

Ny ampitson’io, nandeha namonjy fiaraha-misakafo niaraka tamin’ny fikambanan-dehilahy tany am-piangonana aho. Rehefa tapitra ny fotoana, dia nisy mpino mpandraharaha iray nanatona ahy nanontany hoe : « Hono ho aho Pasteur, sao dia mahafantatra olona mila tapakila amin’ny fiaramanidina ianao ? »

Tsy mbola tonga saina indray aho aloha, fa namaly avy hatrany aho hoe, « tsia, toa tsy misy angamba, » mbola nitohy ihany anefa izy, nanao hoe : « manana tapakila azo andehanana n’aiza n’aiza manerana an’ny Etazonia mantsy izahay mivady, ka raha tsy misy mampiasa alohan’ny alakamisy izao ilay izy dia tsy hanan-kery intsony, ka tiako omena izay mila izany. »

Tonga saina tampoka aho nony avy eo : « Afaka mankany San-Diego koa ve io sidina io ? »

Namaly izy hoe : « Afaka tsara mihintsy! »

Namaly indray aho hoe : « Tena ilaiko ilay tapakila raha izany. »

Ny tena fanamby lehibe ho an’ny Tompo matetika dia ny miditra ao amin’ny atidohako, mamaky ilay fonony manify iny! Tsy mbola fantatro ihany hatreo ny antony nanirahan’ny Tompo ahy ho any San-Diego, ka niantso an’i Ken Squires, aho namana iray monina ao amin’izany tanàna izany. Somary sahiran-tsaina kely ihany nilaza

Page 22: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

22    

taminy, « naniraka ahy ho aty San-Diego ny Tompo hanampy anao. Misy antony ilanao fanampiana ve nefa ? »

Tena nientanentana izy namaly ahy, « Mike, tena faly aho fa niantso ahy ianao, mandefa tanora mankany Mexico izahay, ary tena mila olona hanampy ahy tokoa aho amin’izany, afaka ny ho avy ve ianao ? »

Andro vitsy taorian’io tonga tany San-Diego aho nanampy an’i Ken sy ny ekipany, nanomana ny dian’ireo tanora ho any Mexico. Tena fotoana nahafinaritra tokoa izany, satria tsy naniraka ahy handeha fotsiny ny Tompo, fa nanome ahy koa izay rehetra nilaiko nanatanterahako izany dia izany. Taona maro nifandimby taorian’io, tena nampiasa betsaka ny asa fanompoan’i Ken tokoa Andriamanitra, nantsoina hoe Sun City izany, nitarika tanora maro ho ao amin’i Kristy. Tanora Amerikana an’arivony maro no nandeha tany Mexico nandritra ny vanim-potoana main-tany, nizara sakafo sy fanafody ho an’ireo mponina mahantra nonina tany. Fiangonana am-polony mahery koa no nitsangana tao anatin’izany. Hatramin’izao aho dia tena mbola zendana tanteraka eo anatrehan’izany asa fanompoan’i Ken izany, ary faly indrindra aho fa mba anisan’ireo nanana tombotsoa manokana afaka nandray anjara tamin’izany.

Tena zava-dehibe tokoa ny Kitik’Andriamanitra, kanefa indraindray mora adino ihany izany. Tsy dia tena andrasantsika loatra izany eo amin’ireo fiovana lehibe eo amin’ny fiainantsika. Manoloana izany kosa anefa ny Tompo dia mampianatra antsika mba tsy hitady hevitra mandrakariva amin’ny olona iray akaiky antsika rehefa misy ilaintsika. Mety ho ny vaditsika izany na ny ray aman-drenintsika, na koa olon-kafa mihitsy. Na izany aza anefa dia mila manana fahaiza-manavaka isika, raha avy amin’Andriamanitra tokoa izany fahatsapana ao anatitsika izany na vokatry ny pizza betsaka nohanintsika fotsiny!!

Page 23: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

23    

Anisan’ny mpanoratra tena ankafiziko tokoa i Bruce Wilkinson. Nanoratra lahatsoratra tao amin’ny gazety malaza New-York Times izy ary namoaka ily boky antsoina hoe : « Ilay vavak’i Jabeza. » Nividy an-jatony tamin’io boky io aho ary nozaraiko avy eo. Nanoratra boky iray hafa mitondra ny lohateny hoe : « Ireo fanalahidy fito hanana fiainam-pahagagana. » Niha-nazava tamiko hatrany ity Kitik’Andriamanitra ity teo am-pamakiana ilay boky. Mametraka fanontaniana tsotra nefa tena mifo hevi-dalina i Bruce ao anatin’ilay boky, hoy izy « araka ny eritreritrao, inona no zavatra miseho any an-danitra amin’izao fotoana izao. »

Tsy dia misaina betsaka ny amin’ny zava-miseho any an-danitra ny ankamaroan’ny Kristiana. Mpianatra ny Baiboly aho, efa an-taonany maro izao. Nandritra izay famakiako ny Baiboly izay no nahitako ohatra betsaka tao amin’ny Soratra Masina, Andriamanitra nanokatra kely, nahafahako nahita soritra ny zava-miseho any an-danitra. Tena mahagaga ! taona maro lasa izay, nisy fotoana saika maty aho, nahazoako an-tsaina indray mipi-maso monja izay mandrakizay izany. Nanomboka teo aho, tsy nitsahatra naniry mafy ny hahalala izay miseho ao an-danitra aho, inona ny zavatra miseho ao, hatraiza marina ny fetran’ny fotoana ny tontolo misy antsika. Betsaka amintsika anefa no manana hevi-diso mikasika izany lanitra izany, na koa ny fomba fifandraisantsika amin’ny tontolo tsy hita maso.Andeha hojerena fohy ary ny mikasika izany.

HEVI-DISO #1

Afaka misarika ny saintsika ny Tompo raha ilainy izany.

Eny, mety afaka misarika ny saintsika tokoa Izy. Ahitana ohatra betsaka ao amin’ny Soratra Masina, Andriamanitra midina avy any an-danitra mihitsy rehefa manan-javatra ambara amintsika. Nampiasa roimemy mirehitra izy, tafio-drivotra, mpaminany, sy fomba maro samihafa. Na izany aza anefa , tsy tena fomba mahazatra loatra an’Andriamanitra ny mampiasa fomba manetriketrika toy izany rehefa

Page 24: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

24    

hifandray amin’ny olony. Mitady olona manana fo tsotra sy mora mandray Izy. Maniry hanana fifandraisana amin’ny olona malady mandre ny bitsika feno fitiavana avy Aminy Izy. Mila misokatra amin’Andriamanitra isika, miteny Aminy hoe : « Tompo ô, inty aho, mitenena amiko, iraho amin’ny iraka ombam-pahagagana aho?» Diniho ny toe-ponao raha toy izany?

Ny mampalahelo matetika, dia betsaka ny olona miteny hoe, « Andriamanitra ve tsy hahafantatra ny adiresiko, Andriamanitra lehibe Izy. Fantany ny misy ahy, raha misy tiany hataoko. » Somary ahitana soritra avonavona kely ihany ao anatin’izany toe-po izany. Ilaina manatona Azy amin’ny fanetrentena isika, miteny hoe : Tompo ô ! Anao aho. Tena mangetaheta hanao zavatra ho Anao tokoa aho Andriamanitra ô ! Tariho aho ? » manova zavatra betsaka manampy izany ny fananana fo manetry tena sy misokatra tanteraka ho an’ny Tompo izany.

Araka ny voalaza ao anaty Baiboly, tao amin’ny tempoly Isaia indray andro, nalahelo mafy izy teo anoloan’ny nahafatesan’ny rahalahiny, ny Mpanjaka Ozia. Nandritra ny fotoana nivavahany anefa, dia nahita fahitana izy. Nahita fivoriana niseho tany an-danitra izy, Andriamanitra sy ireo anjeliny naira-kaon-doha ny amin’izay olona hirahina hitory ny filazantsara. Namaly Isaia nanao hoe : « Inty Aho iraho aho » (Isaia 6 :8).

Raha nitoriteny tao amin’ny fiangonanay tany Visalia, California, aho indray andro, dia nemetraka fanontaniana tamin’ny fiangonana, ilay napetrak’i Bruce Wilkinson tao amin’ny bokiny : « Araka ny hevitrao,inona no miseho any an-danitra amin’izao fotoana izao. » Nasaiko nandefa ny valiny tamin’ny sms tamin’ny numero iray nomeko azy izy ireo.

Anjatony tamin’ireo mpino no nandefa ny valiny tamin’ny sms, araka ny hevitro anefa dia tsy nisy na dia iray akory aza tamin’izy ireo no nanana ny valiny marina. Na iray monja aza. Valiteny mitovitovy

Page 25: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

25    

daholo ihany no nalefan’izy ireo : « Midera sy mitsaoka manodidina ny seza fiandrianan’Andriamanitra ireo olom-boavonjy, tsy misy intsony ny sento sy tomany » Tsy nisy tena nahafantatra ny tena marina anefa.

Izaho manokana aloha dia anisan’ny mino hoe, misy karazam-pivoriana maro ataon’ireo mpiandrakitra samihafa any an-danitra amin’izao fotoana izao. Ekena aloha fa ny zavatra rehetra nolazain’ireo mpino mikasika ny zavatra miseho any an-danitra dia tena misy any tokoa, kanefa misy fivoarian’ny mpiandraikitra koa any an-danitra. Mivory mikasika ny vavaka sy ny fangatahan’ny olona maro samihafa ety an-tany Andriamanitra sy ireo anjeliny, mandinika ny fomba hamaliana izany vavaka aman-tapitrisa izany

Olona maro maneran-tany no mivavaka. Mangataka amin’Andriamanitra izy ireo hanampy azy amin’ny toe-javatra sarotra eo amin’ny fiainany. Mandamina ireo vavaka ireo ny an-danitra ary mitady olona indray avy eo, mety ho azony ampiasaina hitondra ny valin’ireo vavaka ireo. Mampiasa ny anjely ihany ny Tompo indraindray amin’izany asa izany, nefa maha-torakovitra ny olona izy ireny matetika rehefa miseho ! Noho izany, matetika ny Tompo no mampiasa olona tahaka ahy sy ianao.

Page 26: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

26    

Somary hafahafa tsy mahazatra anao ve izany ? Tsy tokony ho izany anefa, ny Baiboly dia milaza fa isika dia zanak’Andriamanitra izay nanankinana ny fitondràna ny fahasoavan’Andriamanitra amin’ny olona rehetra eran-tany. (Matio 28:18-20) Mpiray lova amin’I Kristy isika (Rom 8:17) ary iraka ho Azy (II Kor 5:20), manana ny mahaizy antsika vaovao isika ary tanjona vaovao. Izao no fomba famaritan’I Petera izany:

“ Fa ianareo dia taranaka voafidy, fanjakam-pisorona, firenena masina, nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany, mba hilaza ny hatsaràn’Ilay niantso antsika niala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavàna mahagaga” (1 Pet 2/9)

Nankinin’Andriamanitra tamintsika ny asa lehibe eto amin’izao

tontolo izao, fa tsy navelany ho irery isika. Miaraka amintsika Izy. Nampanantena Izy fa hitarika antsika, hampahery antsika ary hampiasa antsika hanova fiainan’olona maro.

Andriamanitra dia mitady olona ho mpiara-miasa Aminy. Te hampita hafatra ny amin’ny finoana Izy, fanantenana ary fitiavana; nifidy antsika ho mpizara izany amin’ny olona Izy. Mila olona manetry tena koa Izy, mpino izay mamaly ny vavaky ny olona hafa. Andriamanitra mantsy dia te-hampiasa ny tsirairay isam-batan’olona amintsika hanampy hamaly ireny vavaka ireny. Misokatra amin’ny feon’Andriamanitra ve ianao izay miantso anao hiara-hiasa indraindray?

HEVI-DISO #2 Tsy manana andraikitra na kely akory aza isika rehefa manao

fahagagana Andriamanitra Eny, manana isika. Ny diarin’Andriamanitra no andraikitsika.

Indraindray Andriamanitra tsy mila olona hanatanterahany ny tanjony, kanefa matetika, dia mifidy ny hampiasa antsika Izy ny amin’ny planiny lehibe hanavotana izao tontolo izao ary hananganany ny fanjakàny. Tsy mila antsika Izy nefa noho ny fahasoavany lehibe loatra dia mamela antsika hanana anjara amin’ny asany eo amin’ny fiainan’ny olona Izy. Ny mpianatra

Page 27: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

27    

dia nahita an’I Jesosy nanao fahagagana lehibe, fa hoy Izy tamin’izy ireo:

“Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, izay mino Ahy ny asa ataoko no hataony koa, ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin’ny Ray” (Jaona 14:12)

Izany hoe mpiara-miasa amin’Andriamanitra amin’ny

famaliana vavaka izany dia mitaky finoana, fanoloran-tena ary fiorenana tsara. Ny fahagagana dia tsy miseho loatra rehefa tsy andrasana.

HEVI-DISO #3 Tsy antonona ary tsy vitatsika izany manao ny

asan’Andriamanitra izany Tena iaraha-mahita tsara fa tsy tanteraka isika. Vokatr’izany,

arakaraka ny itomboantsika manatona an’i Kristy, dia arakaraka izay koa no ahitantsika fa tsy mendrika isika. Tahaka ny inona tokoa moa ny tombotsoa omen’Andriamanitra antsika izao izay olona malemy sy tsy tanteraka toy izao. Anisan’ny mariky ny fahasoavany lehibe izany. Rehefa mahatsapa tahaka ny resy ianao, aza mamoy fo. Tadidio fa ny fanjakan’Andriamanitra dia mifanohitra amin’izany. Ny mpiavonavona sy ny mpanamari-tena dia manala ny tenany, fa ireo izay miaiky ny fahalemeny dia eo ilay toerana tian’Andriamanitra hisy azy mihitsy: manetry tena, mandray ary misokatra. Ny Baiboly dia milaza fa na Andriamanitra aza dia nampiasa boriky hampita hafatra taminà lehilahy izay tsy nihaino ny feony. Raha afaka mampiasa boriky Andriamanitra dia afaka mampiasa ahy sy ianao! Ny manova ny fiainan’ny hafa dia tsy haitsika, fa asan’Andriamanitra. Isika dia iraka mpanantanteraka fotsiny. Mahomby isika rehefa vonona hanatona izay olona itarihan’Andriamanitra antsika. Manomboka eo amin’izay fotoana izay dia efa andraikitr’Andriamanitra ilay olona.

HEVI-DISO #4 Aleo aloha ho tena masina sy mendrika kokoa isika

Page 28: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

28    

Avelao aho hiteny aminao ity : tsy ho mendrika izany mihitsy

ianao! Matetika dia matetika, miandry isika na mihanahana satria mihevitra isika fa tokony ho madio tsy manan-tsiny vao afaka ho tonga fitaovana ampiasain’Andriamanitra. Tsy hitranga mihitsy izany raha mbola mitafy nofo isika. Paoly dia nanoratra tamin’ny Korintiana hoe:

“Fa manana izao rakitra izao amin’ny vilany tany izahay, mba

ho an’Andriamanitra ny halehiben’ny hery, fa tsy ho avy aminay” (2 Kor 4/7)

Tena zava-dehibe ny fananana fanahy mailo sy mitandrina

hatrany, fa mety hanana lafiny ratsy izany. Raha avelatsika hibahana izany, dia hiteraka fanamelohan-tena, henatra ary fisalasalana lalandava ka hamily ny lalantsika. Isaky ny mitoriteny aho indraindray dia mahatsiaro zavatra tsy tokony ho nataoko na zavatra adaladala nolazaiko ny herinandro lasa. Misy zavatra foana! Amin’ireny fotoana ireny dia te hamely totohondry ny tenako aho satria tonga fanafitohinana, kanefa misaotra an’Andriamanitra aho ny amin’ny famelan-keloka mahafinaritra. Raha sitrapony ny namerina an’i Petera na dia nandà Azy intelo aza, dia afaka mahazo antoka koa aho fa havelany ihany raha manenina ny amin’izany.

Ny saina fanamelohan-tena dia saim-petsin’ny fahavalo hahatonga anao hihevitra fa efa nolavina ianao, tsy misy antenaina intsony! Ny fifidianana antsika dia tsy mifototra amin’ny fahatanterahantsika, fa amin’ny fahasoavan’Andriamanitra irery ihany. Izy Ilay nifidy antsika. Paoly nanoratra tamin’ny Kolosiana hoe:

“… misaotra ny Ray, Izay nampahamendrika antsika hanana anjara amin’ny lovan’ny olona masina eo amin’ny mazava, sady nahafaka antsika tamin’ny fahefan’ny maizina ka namindra antsika ho amin’ny fanjakan’ny Zanany malalany, Izay ananantsika fanavotana, dia ny famelàna ny helontsika” (Kol 1: 11-14)

Page 29: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

29    

Ka… mandrosoa dia maneke ny God’s Nudge. Nofidiana noho ny fahasoavan’Andriamanitra ianao. Tia anao Izy, namela anao, nandray anao ary niantso anao ho mpiara-miasa Aminy.

HEVI-DISO 5# Saro-takarina sady tsy mahazatra izany tontolon’ny fanahy

izany Ny amin’ny tantaran’ny patriarka ao amin’ny Genesisy, dia

mahita isika fa rehefa nivavaka Jakoba, dia nivezivezy niaka-nidina nankany an-danitra sy tety an-tany ny anjely. Ireo anjely ireo dia teo akaikiny saingy izy tsy nahalala izany satria tsy afaka niditra tamin’izany tontolo izany. Jakoba dia tsy irery. Izaho sy ianao dia miaina akaikin’ny tontolo ara-panahy, afaka atsointsika hoe tontolo na haavo ara-panahy fahahefatra io. Izany dia ivelan’ny tontolo azo tsapain-tanana. Ireo tontolo roa ireo dia tena samy hafa, fa mifandray. Ny zava-misy dia misy mpianatra Baiboly na pasitera mampianatra fa ny lanitra dia amin’ny tontolo hafa manodidina antsika. Tsy any ambony any velively izany. Raha mihaino isika, raha mahatsapa ny God Nudge, dia handray bitsika avy amin’ny lanitra. Ao amin’ny boky nosoratany “ La Quatrième dimension” i Dr. Yongghi Cho dia manazava :

Eo amin’izao zavatra ary rehetra izao dia misy fanahy

telo karazana, ny Fanahy Masin’Andriamanitra, ny fanahin’ny devoly ary ny fanahin’ny olombelona. Rehefa mianatra jeometria ianao, dia mametraka teboka roa, ny iray eto ary ny iray etsy, ampifandraisina ireo teboka roa ireo dia mahazo tsipika iray. Fa raha manampy tsipika iray hafa ambonin’iny tsipika iny ianao, dia miova endrika ilay sary ary voatsindrin’ilay tsipika faharoa ny voalohany. Raha ampiana tsipika marobe mifanaingina ihany eo

Page 30: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

30    

ambonin’ireo dia manome kioba iray. Izay ilay antsoina hoe tontolo fahatelo. Ny tontolo ara-nofo sy hitan’ny masotsika rehetra izao dia ao amin’izany tontolo fahatelo izany. Ilay tsipika voalohany dia efa ao, izany dia voafehin’ny tsipika faharoa izay efa ao ihany koa. Ireo anefa dia voafehin’ny fahatelo, ilay kioba. Iza ary no namorona, mihazona ary mifehy ny tontolo fahatelo, ilay tontolo miendrika kioba? Azonao ny valinteny rehefa manokatra ny Baiboly ary mamaky ao amin’ny bokin’ny Genesisy 1:2 “Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana, ary aizina no tambonin’ny lalina. Ary ny Fanahin’Andriamanitra nanomba tambonin’ny rano.” Fa raha jerenao ny tena teny fototra niaingan’io tenin’Andriamanitra io, dia mitondra izao dikany izao hoe ‘ny Fanahin’ny Tompo no nikotrika na nandinika teo ambonin’ny rano, fony mbola foana sy tsy nisy endrika ny tany’. Ny tany sy ny rano, ilay tontolo hita maso izany dia ao anatin’ny tontolo fahatelo, fa ilay Fanahin’Andriamanitra nambomba sy nikotrika tambonin’ny rano kosa dia ao anatin’ny tontolo fahefatra. Koa ny fanjakàna ara-panahy an’ny finoana izany dia ao anatin’ny tontolo fahefatra.

Eny ny tontolo ara-panahy dia samy hafa amin’izay zavatra hitatsika,

henotsika, kasihantsika, andramantsika ary fofonintsika, kanefa tena azo tsapain-tanana. Rehefa fantatsika fa miaina isanandro ao amin’ny tontolo hita sy tsy hita maso isika, dia misokatra isika amin’ny fiasan’Andriamanitra amin’ny saintsika sy ny fotsika.

NANOLO-TENA HO AMPIASAINA Raha te ho mpiara-miasa amin’Andriamanitra ianao, dia tokony hisy

fanoloran-tena ataonao: .Voalohany, manaova fanekena fa hihetsika ianao rehefa

mandray ny God nudge.

Page 31: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

31    

Rehefa mifoha maraina ianao dia havaozy ny fanomezan-tokinao: “Andriamanitra ô! Vonona aho ny hihetsika raha tosika avy Aminao ny hiresahako amin’olona androany, na raha teneninao hanome vola olona aho, na raha ilainao ho fahagagana aho. Dia azo ampiasaina aho.” Ataovy isan’ny vavakao isanandro izany fanambarana izany, ary dia tadidio foana izany mandritra ny andro. Ataovy ilay vavak’Isaia: “ Inty aho, Tompo, iraho aho. Iraka mpanantanteraka ny irakao aho”

.Faharoa, manapaha hevitra mialoha ny amin’ny ialanao amin’ny

fahavarimbarianana Efa nisy fotoana ve ianao tafavily làlana? Izaho efa! Amin’izao

fotoana izao dia misy fampiviliana sy zavatra mahavariana maro kokoa noho ny taloha. Rehefa te hifandray amin’Andriamanitra isika dia tokony miala kely, mitady toerana mangina, ary mampangina ny haino aman-jery mahazatra antsika. Izaho tena mpankafy mivavaka eny am-pandehanana tontolon’ny andro. Te hiankina amin’Andriamanitra foana aho rehefa miresaka na manoloana toe-javatra, fa indraindray aho te hitokana irery sy hangina. Ho an’ny renim-pianakaviana iray dia mety sarotra ny hifantoka amin’ny vavaka noho ny amin’ny andraikitra maro amin’ny zanaka sy ny fotoanan’izy ireo mandritra ny andro.Raha te hiompana Andriamanitra vavaka ianao lehilahy nefa misokatra eo akikinao ny gazetim-panatanjahantena misy resaka baolina, dia ho variana ianao. Tsy maintsy mitady fotoana ary toerana ary izay tsy mamily ny sainao ianao.

Rehefa misy zavatra asain’Andriamanitra ataonao, dia tokony tapa-

kevitra ianao ao am-ponao “Ho ataoko izany. Tsy ho variana aho. Andriamanitra dia niteny ahy handeha hanao izany, ary tsy misy olona afaka manala ahy amin’izany” Mila fo sahy sy finoana miorina tsara isika.

.fahatelo, manaova dingana am-pinoana na dia tsy fantatrao

daholo aza ny zava-mitranga

Page 32: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

32    

Misy olona miandry ny zavatra rehetra hiseho. Mino izy fa ny fahalalany ny zavatra rehetra dia mitondra fiarovana ho azy, dia tsy te hanao dingana mihitsy izy raha tsy efa azony avokoa ny valim-panontaniany. Ireny olona ireny dia lasa mandringa ara-panahy. Tsy mampiova azy ny firesahan’Andriamanitra aminy, hany ka tsy resiny ny tahotra. Eny fa na dia efa fanimpolony aza Atra no nikitika azy, dia mbola mivavaka ihany izy hoe: “Afaka manome ahy fanampiny kely ve Ianao, Tompo? Mila mahafantatra mazava tsara ny zavatra tokony ho ataoko aho” Tena milaza aminao aho, tsy tahaka izany Izy. Tsy ampahafantariny antsika indray mandeha avokoa ny zavatra rehetra. Manome antsika izay ampy hihetsehana Izy, fa tsy mihoatra an’izany. Tokony hahatoky ny fahatsaràny sy ny fahalebiazany isika fa tsy ny fahaizantsika manao kajikajy ny antsipirian-javatra rehetra mety hitranga. Hanome anao ohatra azo ampiharina tsara aho. Alaivo sary an-tsaina hoe nametraka valopy misy antontan-taratasy sarobidy aho any amin’ny toeram-pisakafoanana iray amin’ny làlana Bonnie Brea Street any Los Angeles, dia mangataka aminao aho mba haka an’izay ho ahy. Ny olona izay vonona handingana am-pinoana dia hiteny hoe “Eny ary, handeha aho”. Tsy voatery hiandry ny antsipirian’ny lalana halehany sy ny iraka izy vao haneho ny fahavononany handeha. Matoky izy fa ny valiny sy ny zavatra ilainy dia ho avy rehefa manao dingana handroso izy. Na dia izany aza, dia misy olona miahanahana. Manana fanontaniana an-tapitrisany izy, dia isaky misy fanontaniana iray voavaly, dia misy fanontaniana folo hafa indray miseho. Voalohany, mila lalan-kaleha mazava tsara izy “Aiza izany Bonnie Brea Street izany? Inona no tena làlana tsara mankany? Sao dia mitohana be ny fifamoivozana any? Tsy fantatro aho raha manana solika ampy? Ahoana raha maty ny fiarako? Ahoana raha tsy hita ilay valopy? Ohatra ny ahoana ilay valopy? Tsy ratsy ilay fanontaniana betsaka, fa mety ho lasa làlana ialàna amin’ny fankatoavana. Rehefa mandray kitika avy amin’Andriamanitra ianao, dia fanontaniana vitsy ihany no apetraho hanazava ny làlana alehanao. Fa na dia tsy misy valiny tonga aza dia mandingàna am-pinoana ary ekeo ilay kitik‘Andriamanitra. Hanoro ny lalan-kalehanao Izy isaky manao dingana handroso ianao. KITIK’ANDRIAMANITRA MAMPIFANANDRINA

Page 33: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

33    

Rehefa nifidy ny ho mpanantanteraka ny irak’Andriamanitra ianao ary ho valim-bavaka ho an’ny vavaky ny hafa, dia miomàna amin’ny kitik’Andriamanitra mampifanandrina. Inona izany? Io ilay fotoana mampifanandrina ny ‘valeur’ arahintsika sy ny fotsika. Matetika Andriamanitra dia mangataka antsika hanatona sy hanambara fitiavana amin’olona tsy fantatsika, ary indraindray dia amin’olona izay tsy tiantsika aza. Paoly dia mamaritra ny fihoaran’ny fitiavan’Andriamanitra mahagaga: “ Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika dia maty hamonjy antsika Kristy” (Rom 5:8)

Tsy vaovao mahafaly ve izany! Fony ianao mpanota, dia maty ho

anao Kristy sady niteny hoe “Raha manaiky Ahy fotsiny ianao, ny fonao, ny mahaizy anao, ny zavatra tianao atao ary ny fiafaranao dia hitsimbadika ambony tanteraka”

Rehefa mahita sy miaina ny fahasoavan’Andriamanitra isika, dia mandefa antsika hiasa Izy mba ho feony isika, tanany ary tongony. Fa isika tsy mandeha hoe tsy misy inona na inona an-tànana, (na fo tsy misy inona na inona). Tia ny hafa isika noho ilay fitiavana lehibe nitiavan’Andriamanitra antsika (1 Jao 4:10-11), mamela ireo izay nandratra antsika isika satria efa nahita ny famelan’I Kristy ny fahontantsika (Efes 4:31-32), ary mahay mandray olona rehetra isika, na dia ireo izay mahasosotra antsika aza, satria isika izao dia tahaka ny fantsona izay faly fa noraisin’Andriamanitra tanteraka. (Rom 15:7) Matetika nykitik’Andriamanitra dia manery antsika hijery lalindalina kokoa ny fahasoavan’Andriamanitra, hiaina anaty fitiavana bebe kokoa, famelàna ary fandraisana tsisy tahaka izany, mba ahafahantsika mizara ny zavatra tena marina amin’ny hafa. Rehefa tsy ananantsika intsony izany ary tsy tia ny olona izay anirahan’Andriamanitra ho ampiana isika, dia tokony hiverina any amin’ny loharano haingana. Jaona dia mamaritra zava-niseho iray teo amin’ny fiainan’I Jesosy izay maneho loharanon-kery avy any an-danitra izay natao hitiavana ny hafa.

Misy andro firavoravoana maharitra herinandro, fotoana fidiovana sy fanaterana fanatitra; ny zava-miseho rehetra na ny fombafomba fanao amin’izany dia mihamitombo ary miha-zava-dehibe. Ny andro farany no tena mafàna.

Page 34: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

34    

Jaona dia mandoko io sary io tahaka izao: “ Ary tamin’ny andro farany, izay andro lehibe tamin’ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro. Izay mino Ahy dia hisy onin’ny rano velona hiboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan’ny Soratra Masina, ary ny Fanahy Izay efa horaisin’ny mino Azy no nolazainy tamin’izany” (Jaona 7:37-39) Mahatsapa tena ho kely tsy mahavita azy ve ianao hamaly ny God Nudge? Miverena amin’ny loharano mahaizy anao amin’ny maha zanak’Andriamanitra anao. Mahatsapa malemy ve ianao? Matokia ny herin’I Jesosy. Mangetaheta tena fifandraisana amin’Andriamanitra ve ianao ka mahatsapa ny kasika avy Aminy sy ny fanatrehany? Misotroa be dia be avy amin’I Jesosy ilay mampiboiboika loharano velona. Ny fiarahana amin’I Jesosy dia tsy maintsy mahatonga fahasamihafana amin’ny zavatra tiana. Miantso Azy isika hoe “Tompo” izay midika hoe Mpampianatra. Izy ve no Mpampianatra ny fiainanao? Maneho ny ao anatin’ny fotsika isika amin’ny alalan’ny fahavononantsika hankato ny antsony. Indraindray, tena mahafinaritra fa misy fotoana kosa, ny manaiky ny antson’Andriamanitra dia anisan’ny zavatra faran’izay mampatahotra indrindra tsy azotsika eritreretina. Mitady izay mahamety sy mampilamina antsika isika, fa ny fiainam-pinoana dia mitondra antsika ho amin’izay nandehanan’I Jesosy, ho tia na dia ireo izay mankahala antsika aza, manome eny fa na ireo izay nanafintohina antsika aza, ary maneho fahalemem-panahy fa tsy mitsara. Ny kitik’Andriamanitra rehetra dia mety hitondra fifandirana eo amin’ny ‘valeur’ arahinao sy ny zavatra tianao, kanefa ireo izay miantso an’I Jesosy ho Tompo sy Mpampianatra dia vonona ny hiteny “Tsia” amin’izay mety ho fitiavan-tenany ka afaka ny ho tanana, tongotra ary feon’Andriamanitra. Nateraka indray aho tamin’ny faha 19 taonako, fiangonana kely tany ambanivohitra no nitrangan’izany. Nisy vehivavy izay niangona tao am-piangonanay, raha ny fijery azy dia toa misy zavatra tsy milamina ao aminy, ny olona ao am-piangonana dia miantso azy tsotra hoe “adala”. Hita teo amin’ny fijeriny fa misy tsy milamina ny ao amin’ny sainy ary ny fomba firesany dia tena maneho izany mihintsy. Isaky ny

Page 35: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

35    

fehezanteny ataon’ilay mpitori-teny dia hoy izy “Amena”. Nandritra ny fotoam-pivoriana izany, isan’alahady, mandava-taona ary isan-taona… Tamin’izany fotoana izany ny mpitoriteny dia tsy nametra ho 30 minitra ny toriteny tahaka ny fandaharana amin’ny fahita lavitra. Fa matetika dia maharitra 90 minitra izy no miteny. Mandritra izany fotoana izany ilay vehivavy dia manao ‘amena’aman-jatony mihintsy. Tena ara-bakiteny io, tsy mivazivazy aho. Nahasorena be izany nony ela. Mbola tanoraaho tamin’izany, dia alaivo sary an-tsaina ny hanihany ataon’ny tanora momba azy. Indray andro, ny Tompo niteny tamiko hoe “ Tiako ianao hiteny amin’io vehivavy io hoe hihaona amin’ny zanany vavy any an-danitra izy.” Taitra aho! Dia namaly hoe “Inona Tompo? Angamba ianao mivazivazy. Tsy amin’io vehivavy io ka! Tsy izao koa!Tsy hanao an’izany mihintsy aho e! Izaho ary tsy tia azy akory ry Tompo. Jereo fa izy aza samba saina, sady amin’izay, misy fofona ratsy be aminy. Tsy mahita olon-kafa ve Ianao? Nandà an’ilay feo aho, nony ela be nefa Andriamanitra dia niteny foana hoe “Mandehana teneno izy” Farany, tsy afaka nandà intsony aho fa fantatro fa Andriamanitra izany miteny amiko izany. Taorian’ny fivoriana, dia hitako manoloana fiangonana ilay vehivavy, niankanankana aho: “Ramatoa Williams… Mino aho…Ny Tompo…ny Tompo niteny tamiko mba hilaza aminao hoe hahita ny zanakao vavy any an-danitra ianao.” Tahaka ny sendaotra tampoka avy hatrany izy, tsy fantatro intsony hoe handeha hamono ahy sa hamihina ahy izy. Avy eo nefa izy dia nanazava fa efa nivavaka ho an’ny zanany vavy nandritra ny taona maro. Faly be izy nahazo teny avy amin’Andriamanitra momba io zanany vavy malalany io. Ohatrany hoe izay no zavatra nandrasany teto an-tany. Tampoka teo, ilay vehivavy natao fihomehezana sy natao tsinontsinona, lasa tahaka ny olona rehetra manana faniriana lalina, fihetsem-po ary fanantenana. Ilay kitik’Andriamanitra dia tena nidika zavatra be taminy,…ary nanova ahy koa. Tsy nijanona teo anefa ny tantaran-dRamatoa Williams, isan’ alahady dia manontany ahy foana izy: “Mike, androany ve ilay andro hamonjena ny zanako vavy? Nisy teny nomen’Andriamanitra anao momba an’izany ve?”

Page 36: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

36    

Dia isan’alahady aho mampatsiahy azy hoe “Ramatoa Williams an! Ny Tompo niteny hoe hihaona aminao any an-danitra izy, fa izany akory tsy midika hoe hovonjena anatin’izao fahavelomanao izao izy. Aza manahy fotsiny. Ny teny fikasan’Andriamanitra dia marina. Tamin’ny voalohany aho tsy te hamaly ilay feon’Andriamanitra, fa nataoko ihany nony farany ka dia niteraka fifaliana tamiko. Ny fiarahantsika amin’Andriamanitra dia tsy ny hahazoantsika aina sy fahafinaretana fotsiny ihany, ny tanjon’Andriamanitra dia izao tontolo izao mihintsy, mampiasa ny fitaovana rehetra azo ampiasaina Izy mba hanatanterahany ny tanjona ny amin’ny fanavotana, ao anatin’izany ny fangatahany ny zanany rehetra handingana am-pinoana hanao ireo zavatra izay mety tsy ho tiatsika. Tsy te handeha teo amin’ny hazo fijaliana Jesosy fa nataony ihany izany. Raha vonona nanao sorona ny ainy Izy, tsy tokony hanao sorona ny fotoana mahafinaritra tsy foitsika io koa ve isika? Tsy noho isika, fa noho Andriamanitra sy ny fanjakàny. Tsy noho izay tiatsika, fa noho ny fitiavan-dalin’Andriamanitra hahatratra ny olona rehetra eran-tany ary manova fiainana amin’ny alalan’ny heriny sy ny fahasoavany. Izaho sy ianao dia fitaovana afaka ampiasainy fotsiny. Rehefa mamaky ny filazantsara isika dia mahita fa fanaon’I Jesosy ny mandeha any amin’ny karazan’olona izay ahilikiliky ny fiaraha-monina: mpijangajanga, mpamory hetra, vehivavy, zaza, boka, ny jamba ary ireo izay manana demonia. Tamin’ireo olona rehetra izay hita fa tsy nekena, dia ny vahiny no lohalisitra. Tamin’ny taonjato voalohandohany, tany Palestina tany, tsy nifandray mihintsy ny Jiosy sy ny jentilisa, Jesosy ihany no nifandray tamin’ireo. Jaona dia mitantara amintsika fa Jesosy dia nandeha tamin’ny lalany ary nihaona tamina vehivavy jentilisa iray izay nantsaka rano atoandro be nanahary(fotoana tsy fantsakan’ny olona), na izy aza dia tsy neken’ny fiaraha-monina jentilisa tamin’izany. Nanambady izy ary nisara-bady efa imbetsaka, azotsika an-tsaina fa nanana fiainana tsy milamina ilay ravehivavy. Vehivavy voahilika tao anaty firenena voahilika no nisy azy ty. Fa Jesosy nahita azy dia nanomboka niresaka taminy. Tsy nino izany ny mpianatra. Nijery avy lavitra izy ireo. Rehefa niverina Jesosy dia hoy izy ireo: “Fa maninona ianao no niresaka tamin’iny vehivavy iny, tsy vitan’ny hoe nanambady sy efa nisara-bady inbetsaka izy… fa Samaritàna… ary isika mankahala ireny olona ireny! Jesosy ô! Tsy fantatrao ve hoe aiza Ianao ary iza ilay miresaka aminao? “

Page 37: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

37    

Andriamanitra dia manana fomba hanehoana ny fotsika. Matetika Izy miteny amin’ny olona mpanamarin-tena, mpitsara, mpiavonavona mba haneho ny fitiavany amin’ireo tsy manana tombotsoa sy ankahalaina. Tsy ampy ny manipy vola dôlara vitsivitsy na maka fotoana kely hanomezana azy sakafo sy akanjo. Te hanova ny fotsika Izy mba ho tena tia ireny olona ireny tokoa isika. Izany kitika izany no anisan’ny tena fanamby lehibe hiainantsika, mitondra antsika hanakaiky ny fon’I Jesosy izany. Iza ireo olona voahilika izay mandeha eo amin’ny làlanao? Matetika dia ialantsika ireny olona ireny. Vokany, nifindra toerana sy niova fiaraha-monina mihintsy isika mba tsy hahatonga antsika hifangaro amin’izy ireny. Fa na izany na tsy izany, Andriamanitra dia manana làlana hitondrana azy ireny amin’ny lalantsika. Misy olona ve izay ezahanao ialàna? Raha misy, sao dia efa niantso anao haneho fitiavana azy ireny Andriamanitra. Andriamanitra tsy hoe hitondra anao amin’ny olona izay tsy tianao ho resahina akory, fa ny fotoana hangatahany anao hanatanteraka izany dia mety Andriamanitra fotoana hafahafa tsy manavanana anao koa. Mbola tsy nahalala izany hoe fanatrehan’Andriamanitra izany aho dia efa nahatsapa ny kitik’Andriamanitra. Indraindray mandritra ny alina no mikitika Izy, indray alina Andriamanitra dia nanaitra ahy hanome ahy hafatra hozaraina, dia namaly aho hoe: “Tsy afaka miandry rehefa kelikely ve Tompo ô! Te hatory aho!” Ny feon’Andriamanitra dia mety tonga amin’ny fotoana rehetra. Tsy afaka hampanarahantsika amin’ny diaritsika sy izay mahamety antsika ny fotoanany. Mety mahatsapa ny fitarihany isika any amin’ny toerana filalaovan’ny zanantsika baolina, any amin’ny toeram-pivarotana, na any anaty fivoriana. Raha mpankatoa isika, dia hahita an’Andriamanitra manao zavatra mahagaga amintsika sy amin’ny alalantsika. Inona no dikan’izany rehetra izany? Tokony hijery ny olona tahaka ny fomba fijerin’Andriamanitra azy ireny isika. Mba hitrangan’izany, dia mila miala amin’ny fanaovana “olona tiana” isika, solomaso mainty. Tsy misy fizahan-tavan’olona ao am-pon’Andriamanitra. Tia ny rehetra Izy. Rehefa miara-mitempo amin’ny Azy ny fotsika, dia manomboka misaina ireo izay tiany isika, indrindra fa ireo izay tsy manintona antsika tsotra izao. Tokony hitandrina tsara isika araka

Page 38: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

38    

izany, ary mahatsiaro fa tsy manompo olona aloha isika voalohany idrindra, fa manompo an’Andriamanitra. Raha tia sy manome ary manompo isika mba ahazoantsika sitraka, dia ho diso fanantenana tena mangidy, ary ho reraka fotsiny isika. Mitia ireo izay samihafa amintsika, ara-piaraha-monina, ara-bola, ara-poko, ara-pirenena, ara-pivavahana dia tena fanamby be tsy mampino kanefa tena mahafinaritra sy mampientanentana. Manery antsika hangady lalina izany, ary mamela antsika hahatsapa ilay fo ombam-pahasoavan’Andriamanitra ho an’ny olona izay nihomezantsika na nolalovantsika fotsiny tsy noraharahiana. Ny fifantohantsika dia tokony hijanona amin’Andriamanitra. Paoly niteny tamintsika hoe: “Na inona na inona ataonareo dia ataovy amin’ny fo tahaka ny ho an’ny Tompo fa tsy ho an’ny olona, satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny lova ho valiny, fa manompo an’I Kristy Tompo hianareo” (Kol 3:23-24) Raha mifandray amin’ny fon’Andriamanitra ianao, ny tanjon’Andriamanitra, ary ny Fanahin’Andriamanitra mba hanompoanao olona ivelany toerana mahamety anao, dia hahatsapa ny Heriny sy ny Fitiavany tsy toy ny taloha mihitsy ianao. Vonona ve ianao amin’ilay fotoana hoe ny diarin’Andriamanitra dia tsy mifanaraka amin’ny diarinao? Hisy izany! Tadidio tsara izany! Mba hamalianao ny kitik’Andriamanitra sy hahatonga anao ho fitaovana fiasàny dia mila manao fanoloran-tena roa tena lehibe ianao: • Mila miteny ianao “Tompo ô! Inty aho! Iraho aho” • Dia mila miteny koa ianao hoe “Tompo ô! Anao aho! Vonona

aho ny handeha ho any amin’olona rehetra, toerana rehetra, amin’ny fotoana rehetra”

KITIKA MANAITRA Nankany an-tsekoly aho voalohany indrindra mba handranto fahalalana hananana asa tsara any aoriana. Ny ankohonana nisy ahy dia zaza valo, ary ny raiko tsy dia nanana asa nampidi-bola be loatra. Raha ny ara-bola, izahay dia zara raha nanana ampy foana. Tapa-kevitra mihintsy ao fa tsy te hiaina tahaka izany ho an’ny androm-

Page 39: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

39    

piainako sisa, dia nihevitra aho fa ny diplaomako tany an-tsekoly dia hanampy ahy hahombiazako. Tany am-pianarana(oniversite) aho dia niditra tamina vondrona mianatra fianarana baiboly. Indray andro, ny mpitarika ilay vondrona dia niteny tamiko hoe “Mike, mieritreritra aho fa tian’ny Tompo hitoriteny ianao” Tena saika niteny aho hoe: “Mialà eo ivohoko ianao ry Satana,” fa nihomehy fotsiny aho dia niteny azy hoe tsy fantatrao izay zavatra lazainao. Ny mamako dia niteny tamiko nandritra ny taona maro hoe izaho dia ho lasa mpitoriteny, dia tsy nohenoiko izany. Sady amin’izay koa, ny mpitoriteny rehetra izay fantatro dia mahantra daholo, dia tena azoko antoka mihitsy hoe izaho tsy ho lasa iray amin’ireny. Io tanora mpitarika anay io dia tena nahazo antoka fa nandre ny feon’Andriamanitra, koa niverina izy ny herinandro manaraka dia niteny tamim-pahasahiana: “Mike, mila mihaino ianao. Tena mino mihitsy aho fa ny Tompo dia mila anao ho mpitoriteny” Tamin’izay aho dia tena entim-po sy hentitra. Noteneniko tsy niolakolaka izy: “Jereo, tsy ho lasa mpitory teny izany aho. Ireny dia tsy manam-bola foana, ary izaho tsy manam-paniriana hiaina tahaka izany intsony. Sady tamin’izany, ny mpitoriteny dia mitondra fiara ntaolo be foana. Azo antoka fa Andriamanitra manana zavatra tsara kokoa ho ahy noho izany! Raha ny momba ahy, dia tsy tiako hiverenana intsony iny resaka iny. Nitohy namonjy fivoriana foana aho, fa izaho tsy nisokatra mihintsy tamin’ny fizaràna izay nataon’ilay mpitarika. Isaky ny mitarika resaka momba ahy izy, dia efa mandà azy amin’ny lohako fotsiny aho. Dia efa tsisy resaka hitohy intsony eo. Io vondrona mpianatra io dia nanompo nanampy fiangonana vitsivitsy manodidina ny tanananay. Nanadio lakozia sy efitrano malalaka, nanapaka bozaka, nanangana zavatra, nandroaka fako, nikarakara sakafo dia nanampy tamin’izay fomba rehetra azonay nanampiana. Indray andro, ilay mpitarika anay dia nandamina fotoana hivoriana tamina fiangonana kely tany Maypearl, Texas. Ny herinandro manaraka izy nanatona ahy avy aoriako, tsy afaka nandà tamin’ny lohako intsony aho, dia niteny hoe “Mike an! Manana fivoriana any Maypearl isika amin’ny faran’ny herinandro manaraka. Noteneniko ilay mpitoriteny fa ianao no hiteny.”

Page 40: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

40    

Nitodika aho dia nobanjiniko mafy izy: “Henoy, tsy hampianatra any izany aho. Tsy manao zavatra tahaka izany aho. Ho any Maypearl aho, hamboatra zavatra, dia handrafitra ho azy ireo, fa tsy manana inona na inona holazaina aho.” Nitsikitsiky kely izy sady niala no niteny hoe: “Ataovy izay tianao, fa rehefa tonga ny amin’ny 11 ora amin’ny Alahady, dia tsy hahazo aina ianao raha tsy hanana zavatra holazaina amin’ny olona ao am-piangonana.” Tao aoriandriana kely tamin’iny herinandro iny, dia namaky tao amin’ny bokin’ny Ohabolana aho, nisy hafatra nivoaka avy tao amin’ilay pejy. Dia niteny tamin’ny tenako aho hoe: “mahafinaritra kosa izany andinin-tSoratra Masina izany. Andeha horaisiko an-tsoratra ity dia hataoko am-paosy sao sendra misy olona mangataka teny avy amiko.” Ny alahady manaraka tany Maypearl, dia efa nolazaina fa izaho no hitondra ny hafatra. Niakatra an-tsehatra aho. Namaky ilay teny avy amin’ny Ohabolana aho, niteny nandritra ny 10 minitra, dia nanontany hoe: “Misy olona te handray ny famonjen’Andriamanitra ve eto?” Olona telo no nandray ny famonjena tamin’io maraina io.Tena faly aho. Avy eo rehefa nirava ny fivoriana, dia nibitsika tamiko Andriamanitra ary niteny hoe: “Mike an! Izay mihitsy ilay tokony ho nataonao!” Nandritra ny volana vitsivitsy manaraka, dia mbola nanohitra ny fitarihan’Andriamanitra aho, kanefa tsy diso fahatsapana aho fa Andriamanitra mihitsy no niantso ahy hanao pasitera. Nanana antony be dia be aho hitenenana “Tsia” fa ny fitarihan’Andriamanitra dia efa nazava be… farany, nifidy ny hankatoa Azy aho. Inona no nanombohan’izany rehetra izany? ilay tanora zazalahy tany an-toeram-pianarana Baiboly izay nankatò ny kitik’Andriamanitra ka nanambara teny tamiko. Na dia tsy nahalala fomba taminy aza aho, dia nisisika foana izy. Na dia nanohitra an’Andriamanitra aza aho, dia vao mainka nisisika Izy. Fantatro avy hatrany fa ny zavatra tadiavin’Andriamanitra amiko dia tsy ny mahamety ahy, na laza, na harena, fa tokony ho ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanjakàny. Efa nahatsapa ve ianao fa misy mifanohitra amin’ny diarinao ny diarin’Andriamanitra? Aza mamoy fo. Anisan’ny dingana hianarana amin’ny fiarahana mandeha aminy izany. Ianao ve miezaka miala ny bitsiny amin’ny fandàvana tsy hihaino Azy? Efa nisy bitsika ve teo aloha izay nataonao tsinontsinona na notoherinao? Angamba fotoana

Page 41: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

41    

izao hamohazanao izany sy hamaliana izany am-pinoana. Tsy tara mihitsy raha izao indray ianao vao hanomboka. Na dia efa taloha be ary ilay bitsika, dia misy anankiray ihany eo akaiky eo. Misokafa, aoka ianao ho mora mahatsapa ny fitarihan’ny Fanahin’Andriamanitra, ary aoka ho mpankatoa amin’izay zavatra rehetra tiany hataonao. Tsy misy fifaliana lehibe tahaka ny hoe fitaovana maranitra eo an-tànam-pahasoavan’Andriamanitra. Eritrereto kely izany….

1. Inona amin’ireo hevi-diso tao amin’iny fizarana iny no olana taminao? Nanahoana no fiantraikan’izany tamin’ny fahavononanao hamaly an’Andriamanitra?

2. Inona no zavatra mora mahavariana anao ka manakana anao tsy hamaly ny kitik’Andriamanitra?

3. Manaiky ve ianao sa tsy manaiky fa ny diarin’Andriamanitra (ny fotoanany) dia tena samihafa be amin’ny antsika? Inona no karazan-javatra mifanohitra amin’ny zavatra tiana sy manan-danja hiainantsika rehefa mamaly an’Andriamanitra isika? Ahoana no hahafahantsika mianatra mba hisokatra kokoa amin’ny fitarihany?

4. Nisy kitika ve izay nataonao ambanin-javatra na nialanao? Inona no dingana am-pinoana tokony hataonao hamalianao izany?

Page 42: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

42    

FIZARANA FAHATELO

MIALA AMIN’NY MAHAZATRA Tamin’ny voalohany, dia tsy nahalala aho hoe olona manao ahoana no afaka ampiasain’Andriamanitra. Nihevitra aho fa tsy ara-panahy loatra ka tsy ho ampiasain’Andriamanitra. Nanao zavatra ratsy maromaro aho teo amin’ny fiainako izay nahamenatra ahy. Ny fahatsiarovako ny ota nataoko teo aloha dia nampaharary ny saiko ka sarotra ho ahy mihitsy ny niaina ny famelan’Andriamanitra. Indraindray ny taloha dia mitamberina ao anatitsika. Indray andro, nibebaka aho tamin’ny fahotana izay nanangatra ahy fotoana ela. Efa nifona tamin’izany aho farafahakeliny in-jato. Niseho ilay fahotana talohan’izaho voavonjy, fa tsy afaka tao an-tsaiko. Raha nivavaka aho dia nanontany ahy ny Tompo “Inona izany resahinao izany? Tsy tadidiko intsony izany fahotana izany. Tampotampoka teo, dia nahatsiaro aho fa namaky andinin-tSoratra Masina izay mampanantena famelan’Andriamanitra tanteraka, dia nahatsapa maivana be aho. Davida mpanjaka dia nijangajanga sy namono olona. Tena lehilahy nampalahelo izy. Raha nisy olona tokony hilevim-belona noho ny henatra dia izy. Fa izy nanoratra hoe: “Fa tahaka ny haavon’ny lanitra ambonin’ny tany, no haben’ny famindrampony amin’izay matahotra Azy. Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana no halavitry ny hanesorany ny fahontantsika amintsika.” (Salamo 103:11-12) Jaona dia nampanantena fa “Raha miaiky ny fahontantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy (Andriamanitra) ka manadio antsika ho afaka amin’ny tsi-fahamarinana rehetra.” (1 Jaona 1:9) Ary Andriamanitra nampanatena “Fa hamindra fo amin’ny tsi-

Page 43: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

43    

fahamarianana Aho, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany” (Hebreo 8:12) Marina mihitsy, fa Andriamanitra dia mahalala ny zavatra rehetra. Mahalala ny zavatra rehetra izay nisy sy mbola hisy Izy. Io andalan-tSoratra Masina io dia milaza fa Izy dia nifidy ny tsy hitadidy ny fahotantsika nahavoa antsika na manao ahoana na manao ahoana. Vao mangataka famelàna isika, dia avelan’Andriamanitra maimaim-poana, fa ny mahaolombelona antsika tsy mamela antsika hanadino. Mifangaro sy miady ao anatin’ny sasany amintsika ny fahalemem-panahy sy fahatsiarovana ratsy mahatsiravina, ary dia voafatotry ny fanamelohan-tena isika. Mandrapa-azotsika sy hiainantsika ny fahasoavan’Andriamanitra dia tsy miadana foana isika. NY TAKALO Ho sahirana amin’ny fanamelohan-tena isika raha mihevitra hividy ny fitiavan’Andriamanitra amin’ny zavatra tsara ataotsika. Ny filazantsaran’ny fahasoavana dia manambara mafy fa tsy ho ampy mihitsy ny fahamarinantsika hahazoana sitraka amin’Andriamanitra. Tsy misy fanantenana iny làlana iny. Ny hany fanantenantsika dia Jesosy tia antsika, mamela antsika ary mandray antsika. Mifototra amin’ny fahamarinany ihany fa tsy ny fahamarinantsika. Paoly dia nampahafantatra antsika takalo lehibe tsy mampino ao amin’ny taratasy ho an’ny Korintiana: “Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy kosa isika.” (2 Kor 5:21) Hitanao ve izany? Nanala ny fahotantsika Izy ary nampitafy antsika ny fahamarinan’I Kristy. Io ilay vaovao mahafaly manova fiainana mahafinaritra, izay atao hira faneva lehibe sy hiram-pinoana. Izay no tena zavatra mahatalanjona tsy takatry ny saina mihintsy, tonga hatramin’izany Andriamanitra mba handraisany ny olona tahaka ahy sy ianao. Ny fifidianana antsika dia tsy hoe satria tratratsika avokoa ireo zavatra mifanaraka amin’ny toetran’Andriamanitra, fa satria Jesosy no nanao izany

Page 44: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

44    

teo amin’ny toerantsika. Tsy hoe voaaro isika noho ny asa tsara nataotsika, fa noho ny amin’ny fahamarinany. Rehefa raisintsika ilay takalo sarobidy: ny fahotatsika nosoloina fahamarinan’I Kristy, dia afaka mitsotsotra isika. Fa izany koa nefa no manosika antsika hanao izay mahafaly Ilay Mpamonjy antsika, rehefa voaraitsika tsara ilay vaovao mahafaly . Te hanaja Azy isika amin’ny fomba rehetra azo anaovana izany! Te ho ampiasain’Andriamanitra isika. Anisan’ny ady tato anatiko koa taloha ny fanahiana hoe tsy afaka mampiasa ahy Andriamanitra fa mbola tsy ampy ny fahaizako. Nandritra ny taona maro nianarako dia namonjy fampianarana Baiboly sy toeram-piangoanana foana aho nihaino ireo mpitory teny lehibe avy amin’ny firenena maro. Matetika aho dia variana sy lasa saina ny amin’izy ireny, dia miteny anakampo hoe: “ Hanao ny aiko tsy ho zavatra aho mba hahavitako tahaka ireny.” Dia matetika tahaka izay koa aho mahare feo mibitsika manao hoe: “Tsy afaka ny ho tahaka ireny mihitsy ianao. Efa avo lenta ireny!” Dia feno fisalasalana sy fanahiana ny tenako. Tena nino aho fa tsy ho tonga amin’ilay tadiavin’Andriamanitra amiko mihitsy. Nangataka ny sasany tamin’izany mpitory teny izany aho hivavaka ho ahy. Dia nanantena aho fa ny vavaka masina be ataon’ireo no hahatanteraka izany. Azoko antoka, fa nanampy ahy izany, fa ilay toerana neheveriko hoe ambony masina be tadiaviko tsy azo teo no ho eo. Very fotoana be aho(sy ny olona nivavaka ho ahy) nanenjika hahazo ilay zavatra tiako hahatongavana. Tsapako anefa taty aoriana fa isika dia olona tsotra ihany saingy manana fifandraisana feno fahasoavana amin’Ilay Andriamanitra Tsitoha(extraordinaire). Isika tsy miankina amin’ny hoe tsara tarehy sa petaka isika, mahay sa dondrona, lava sa fohy, manan-karena sa mahantra. Ny tena zava-dehibe dia teraka tao amin’ny ankohonan’Andriamanitra isika, ary manana planina mahafinaritra be Izy ho an’ny tsirairay amintsika. Ny tanjony dia ambony lavitra mihoatra izay afaka eritreretintsika, ary dia nifidy antsika ho mpiara-miasa Aminy ao amin’ny tantara tena lehibe indrindra izay fantatr’izao tontolo izao Izy. Rehefa

Page 45: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

45    

mampitaha ny fiainantsika amin’ny hafa isika, dia mahita olona foana manana talenta betsaka na traikefa noho izay ananantsika. Andriamanitra dia tsy mitady ny talenta tsara indrindra fa mitady olona afaka ampiasaina, mahatoky ary mamaly ny antsony. Izao no filazan’I Paoly azy hoe:

“Fa asany isika, voaforona tao amin’I Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay nomaniny rahateo mba handehanantsika eo Aminy.” (Efes 2:10)

LASIM-PIOFANANA Ny baiboly dia matetika manao ohatra momba ny voly hamaritana ny fiainam-pinoantsika. Ny zava-maniry dia tsy mihalehibe sy mamoa raha tsy efa nahazo masoandro tsara, rano ary zezika. Betsaka ny kristiana no tsy mitombo satria miaina anaty toe-panahy karakaina izy. Tokony mitady fiangonana izay ahazoantsika fampianarana tsara be dia be sy fampaherezana ary vina. Ny fiangonana ihany no afaka mamahana sy mamolavola olona ho ampiasain’Andriamanitra araky ny nofinofin’ny tsirairay. Talohan’ny nahaterahako indray, dia nihevitra aho fa ny fiangonana dia ho an’ny olona malemy. Ny fiangonana nefa dia toeram-panofanana miaramilan’Andriamanitra vonona hiady. Ny marina dia zao, ny zavatra tsara rehetra nitranga tamin’ny fiainako dia nitranga tany am-piangonana avokoa. Ny fiangonana dia lasa toeram-pamonjena sy toeram-pamahanana ahy. Izaho dia nahita an’ Andriamanitra nanova fiainan’olona tsy tambo isaina, fa matetika dia olona anaty fiangonana avokoa izany. Isika dia antsoina hoe “Tenan’I Kristy,”mifanohana sy mifampahery. Raha matanjaka toy izany ny fifandraisantsika, ny olon-tsotra iray tonga ao ampiangonana dia afaka hofanina sy hampaherezina hanao zavatra mihoatra ny mahazatra. Ao Andriamanitra fiangonana no ahafahako miray latabatra Andriamanitra Tompo na dia olona ihany aza aho.

Izaho dia tsy mahalala hoe hafiriana ny andro iainako sisa eto amin’ity tany ity, fa izaho kosa dia miezaka manao izay tratrako.

Page 46: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

46    

Mila ny fitiavana, ny fanohanana ary fanamby avy amin’ny Tenan’I Kristy aho mba hahatonga ahy hahomby kokoa ho Azy. FAHAVONONANA Ao amin’ny boky Asan’ny Apostoly, Lioka dia mitantara ny tantara mampientanentana ny fivelaran’ny fiangonana taorian’ny niakaran’I Jesosy tany an-danitra. Ao anatin’ny tantara, raha tany an-tanànan’i Lystra Paoly sy Barnabasy, dia nahita lehilahy izay malemy tongotra roa (Asa 14: 8-20). Kilemaina hatrany am-bohoka izy. Teo amin’ny vahoaka izy nihaino an’I Paoly nitory an’I Jesosy, ary Paoly dia nahatsikaritra azy. Toy izao ny zava-nisy, rehefa nijery azy Paoly, dia nanam-pinoana ralehilahy. Tamin’io fotoana I Paoly dia nanana ny kitik’Andriamanitra. Hoy izy tamin’ilay lehilahy malemy “Mitsangàna amin’ny tongotrao”. Niantsambotra ilay lehilahy dia nanomboka nandeha. Dia nahavery saina ny vahoaka izany raha nahita ny fahagagana nataon’I Paoly sy Barnabasy teo izy ka dia nataony ho andriamanitry ny Romana latsaka avy any an-danitra izy ireo. Nihevitra izy ireo fa I Barnabasy dia Zeosy ary Paoly dia Hermesy. Saika hamono omby ny vahoaka ka hanolotra izany ho fanatitra ho azy roalahy. Raha olona nitady lazangamba izy ireo dia tanteraka izany teto. Fa Paoly nahalala marina ny toerana misy azy. Hoy izy tamin’ny vahoaka “ Raondriana! (Ry olona ô!) Nahoana ianareo no manao izao? Izahay koa dia olona ihany, tahaka anareo.” Paoly sy Barnabasy dia nandà ny haka ny toeran’Andriamanitra tao amin’ny saina sy ny fon’ny olona izay nitoriany teny. Izany dia ohatra tsara ho ahy sy ho anao. Izaho dia olona tsotra ihany, fa rehefa milatsaka amiko ny herin’Andriamanitra, dia afaka manao zavatra mihoatra ny mahazatra aho. Izay no niseho tamin’I Paoly sy Barnabasy tamin’io andro io. Ry zareo dia olon-tsotra ihany, saingy nanao zava-mahagaga tsy takatry ny saina tamin’ny alalan’ny herin’Andriamanitra. Taona vitsy lasa izay, dia nampianatra tany amin’ny Grand Rapids First Assembly of God aho, namako no pasitera tao, Sam Rijfkogel no anarany. Teo am-pitoriana teny aho dia nahita tanora zazavavy teo amin’ny seza fahatelo avy any aloha izay

Page 47: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

47    

nibitsihan’Andriamanitra ahy. Fantatro fa vao nivoaka ny hopitaly izy satria ilay lamba famehezan’ny hopitaly dia mbola teo amin’ny tanany. Nahatsapa aho fa tena mila ny fikasihan’Andriamanitra mahagaga izy tamin’io andro io. Taty aoriana dia fantatro fa Katie no anaran’io tanora zazavavy io. Nanana talenta manokana mihitsy izy ny amin’ny lalao volley-ball. Fa raha mbola tany amin’ny hopitaly izy, noho ny ratra mafy izay nahazo azy, dia niteny taminy ny dokotera fa tsy afaka manao volley-ball intsony izy. Very hevitra be izy. Nihaino an’Andriamanitra aho, dia nijery tany amin’i Katie ary niteny azy hoe “Andriamanitra niteny hoe hanasitrana anao Izy androany”. Rehefa niteny izany teny izany taminy aho, dia tahaka ny mahita ny tanany mandray ilay teny sady mihazona izany. Nitsangana avy hatrany teo amin’ny toerany izy dia nandroso teo aloha sady feno finoana, nino ilay teny voalaza tao amin’ny Fanahy ho azy, dia sitrana tamin’izay andro izay ihany Katie. Herinandro vitsivitsy taty aoriana dia nandray DVD avy amin’ny fiangonan’i Pasteur Sam aho nisy ny sarin’I Katie niverina nilalao ary miaraka amin’ny ekipany any am-pianarana. Tena zavatra tsara loatra izany! Fa tadidio! Tsy izaho no nanao izay! Ny fanasitranana an’i Katie dia tsy nisy nidirako. Andriamanitra no nanomboka ilay teny fikasàna dia sady Mpanasitrana koa. Izy no Alfa sy Omega. Nanana finoana ny ho sitrana Katie ary ny ray aman-dreniny koa dia nino fa hanasitrana azy Andriamanitra. Izaho dia iraka mpanatanteraka fotsiny izay vonona ny hamaly ny kitik’Andriamanitra. Tahaka an’I Paoly sy Barnabasy, raha tianao ny hampiasàn’Andriamanitra anao amin’ny zavatra mihoatra ny mahazatra, dia tokony hiaina am-pinoana ianao. Jereo tsara fa ny andaniny sy ny ankilany dia samy mila finoana: Paoly dia nanam-pinoana fa Andriamanitra hanasitrana ilay lehilahy malemy, ary ilay lehilahy koa nino fa Andriamanitra dia niresaka sy niasa tamin’ny alalan’I Paoly. Mitovy amin’izany ihany koa, tokony mino aho fa Andriamanitra dia hanasitrana an’I Katie, izy kosa tokony mandray am-pinoana. Indraindray ny kitik’Andriamanitra dia tonga amin’ny fahasahiana mandidy fa tsy amin’ny fahalefahan’ny Pasitera.

Page 48: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

48    

Rehefa hitan’I Paoly ilay lehilahy malemy dia tsy niditra niresaka momba ny lasa izany nandratra azy syny fahoriany ankehitriny. Tsotra fotsiny sady feno fahasahiana no nitenenany hoe: “Mitsangàna amin’ny tongotrao”. Paoly dia tsy niombom-po taminy tamin’ny aretiny ary tsy nampahery azy izy tao amin’izany fahareseny izany. Izao fotsiny no nolazainy taminy: “Raha tianao Andriamanitra hanao zavatra izay mbola tsy nataony mihitsy teo aloha, dia tsy maintsy manao zavatra izay tsy mbola nataonao teo aloha koa ianao.” Nanambara teo anatrehan’izay rehetra nihaino Paoly hoe:“Fotoana handehananao izao.” Inona no fahagagana ao amin’io tantara io? Satria ve nandeha ilay lehilahy malemy? Azo antoka fa tena mahafinaritra izany, nefa mihevitra aho fa misy zavatra lehibe kokoa ao. Mino aho fa ny fahagagana lehibe indrindra dia ny fahasahian’ilay lehilahy izay tsy ary mbola nandeha mihitsy hatrany an-kibon-dreniny nefa dia tsy nisalasala hanao zavatra izay tsy mbola nataony mihitsy teo aloha. Faly Andriamanitra manao zavatra tsy takatry ny saina, tsy mahazatra ary fahagagana izay tsy azon’iza na iza eritreretina. Mampiasa olon-tsotra Izy hanao zavatra tsy takatry ny saina maha-olombelona. Efa nahita sy nandre tantara mahafinaritra momba ny herin’Andriamanitra nilatsaka tamin’ny fiainan’ny olona aho. TAndriamanitra fifohazana nitranga tany Azusa Street, ny Fanahy dia nikasika vehivavy tanora iray tsy mbola nianatra nitendry piano mihitsy. Nipetraka teo amin’ny seza izy, rehefa nankeo amin’ilay piano ny rantsan-tanany dia ohatra ireny efa mpitendry ireny izy. Misionera izay mbola tsy ary nianatra teny vahiny dia nanomboka niteny misosa tsara tamin’ny alalan’ny Fanahy. Tamin’izany talenta nomen’Andriamanitra izany, dia afaka nitory tamin’ny olona tamin’ny fitenin’izy ireo izy izao.Tsy takatry ny saina izany. Sasany amintsika mamaky izany tantara izany dia mamintina hoe: “Tsara izany, fa izaho tsy ao anatiny. Tsy manana fanomezam-pahasoavana manao fahagagana aho, ary ny finoako dia kely loatra.” Miseho ny fahagagana rehefa matoky Andriamanitra mahagaga ny olon-tsotra iray. Rehefa mahita ny tenanao tsotra ianao, dia afaka ho kandidà tsara ho ampiasain’Andriamanitra.

Page 49: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

49    

Izao anefa no antoka apetraka: tokony haverina tsara eo amin’ny toerany ny voninahitra rehetra. Ireo mponina tany Lystra dia nihevitra an’I Paoly sy Barnabasy ho andriamanitra, amin’izao fotoana izao, dia misy kristiana izay mihevitra fa ireo izay matoky an’Andriamanitra ka mahavita zavatra lehibe dia “Tena masina be.” Tsy izany anefa, olon-tsotra ihany izy ireo izay manana finoana an’Andriamanitra Ilay mahagaga ambony lavitra. Raha misy olona manandratra ny tenany fa tsy Andriamanitra, aoka ianao ho mailo amin’ny fahatokiana azy ireny, ary mivavaha ho azy. Raha tianao hahita anao ny olona nefa ianao tokony hamerina ny voninahitra hoan’Andriamanitra izay niasa tamin’ny alalanao, mandohaliha dia mangataha amin’Andriamanitra hamela anao ary hanova ny fonao. Ny fanomezam-boninahitra ny tena dia manimba no sady ratsy. Paoly nahalala fa raha nanao azy sy Barnabasy ho andriamanitrany vahoaka dia hanimba azy izany dera izany. Azon’I Paoly tsara ilay izy: tena fantany tsara mihitsy fa olon-tsotra ihany izy izay nampiasain’Andriamanitra hanao zavatra tsy takatry ny saina. MORA MAHATSAPA, MAILO Tsy tokony hoe tsisy fahotana isika, na mamirapiratra na tena manam-pahasoavana be vao ampiasain’Andriamanitra sy ho isan’ireo iraka mpanantanteraka ny asany. Isika dia tokony ho afaka ampiasainy, ary koa mila mivelatra ho malina amin’ny bitsiky ny Fanahy isika. Mora kely ny tsy mahazo izany. Fianarana mihaino dia anisan’ny zava-dehibe mihitsy amin’ny fiarahantsika amin’Andriamanitra. Ny hahaizana izany dia miankina Andriamanitra fanazarantena ataonao miaraka amin’Andriamanitra matetika. Izany mitory ny Baiboly izany dia noraisiko ho tena miendrika ny haja ambony indrindra foana. Na mitory amin’ny olona efatra aho na amin’olona efatra arivo dia mitovy ny fotoana fanomanako izany. Zavatra efa nandeha ho azy tamiko ny fianarana be sy ny vavaka mahery. Taona maro lasa, tany amin’ny fanofanana mpitandrina natrehako, Ed Young dia

Page 50: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

50    

nanontany an’I Bishop T.D Jakes nanao hoe: “Ahoana fiomananao rehefa hitory ny filazantsara ianao?” Nitsiky Bishop Jakes dia namaly hoe:“Ianarako tsara ny teny hotoriako, dinihiko tsara ny teny raha azo ampiharina na tsia, mivavaka aho mba hafana tsara, dia avelako halalaka tsara aho.” Tena zava-dehibe izany hoe ampiasain’Andriamanitra izany, ho an’ny mpitandrina na hoan’ny sasany amintsika. Nandritra ny taona maro dia efa nanao fanoloran-tena aho hanana fotoana hivavahana isan’andro. Amin’izany firesahana sy fihainoana an’Andriamanitra izany dia manomana ny fanahiko Izy ho azony ampiasaina ho Azy. Ao amin’ny Apokalipsy, Jaona dia nanoratra hoe “Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny fiangonana” (Apok 3:13). Andriamanitra dia miteny, fa misy amintsika tsy mihaino. Tahaka ireny mihaino radio ireny, hoe ao amin’ny AM isika no mihaino nefa Andriamanitra ao amin’ny FM no miteny. Isika dia olona voafetra nefa manana fifandraisana amin’Ilay Tsisy fetra ka dia mora very. Raha te hihazona ny fifandraisana mazava aho, dia tsy maintsy manamboatra tsara ny fandrenesako tsy hahenoako feo hafa. Efa nanolo-tena ho amin’ilay canal tena marina aho, dia hapetrako avo ny antenne-ko hiasa tsara, satria te haheno izay zavatra tian’ny Fanahy hambara amiko aho. Ny fiangonanay dia manana fivoriana maro isaky ny faran’ny herinandro. Alohan’ny hitoriako teny dia manao an’ity vavaka ity moramora aho: “Tompo ô! Sokafy ny masoko hahita ary ny sofiko handre, ary omeo ny foko ny fahafahana mamantatra ny fanirinao ho an’ny tsirairay manoloana ahy androany. Ary farany Tompo ô! Omeo fahasahiana aho handingana am-pinoana rehefa mandray ny kitikao avy any an-danitra.” Izaho dia mpanompon’Andriamanitra sy fitaovana ampiasainy ihany. Tiako Izy hampiasa ahy amin’izay fomba nofidiny hizaràny ny hafany amin’ny olona izay tiany. FIANTSOANA HIFOHA

Page 51: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

51    

Taona maro lasa izay, rehefa namonjy fivoriana tany amin’ny sekoly fianarana Baiboly tany Waxahachie aho, Texas, nisy misionera avy any Arkansas dia nitantara ny fomba namohazan’ny Tompo azy indray alina tamin’ny roa maraina teo raha ririnina mangatsiaka iny ny andro. Ny Tompo dia nampahita fahitana azy momba ny fianakaviana iray izay tao anaty kamio kely, izay kilometatra vitsivitsy miala eo aminy. Ilay misionera dia nahatsapa fa mila azy ny Tompo handeha hanampy io fianakaviana io. Niakanjo izy, nakao anatin’ny fiarany dia nandeha tamin’ilay lalana izay nasehon’ny Tompo azy. Nandeha telopolo kilometatra teo izy dia nahita fianakaviana tanaty kamio kely nijanona teo an-tsisin’ny lalana. Nijanona izy dia nanampy azy ireo nody tany an-trano. Rehefa nitondra fiara niverina tany an-trano izy, dia nanomboka niresaka tamin’ny Tompo ny amin’ilay zava-nitranga. Nametra-panontaniana tamin’ny Tompo izy: “Fa maninona kay aho no nalainao hanao an’iny? Izaho any amin’ny telopolo kilometatra nefa misy olon’Andriamanitra be dia be mipetraka anelanelan’ny tranoko sy ny nisy an’ilay fiara maty. Fa naninona ianao no nifidy ahy? Fa maninona Ianao no tsy afaka nampiasa ireo kristiana hafa ety amin’ny manodidina ety?” Namaly ny Tompo hoe: “Marina ny anao! Manana olona maro Aho teo anelanelanao sy ilay fianakaviana maty fiara, namoha olona roa hafa aho fa nandà ny kitik’Andriamanitra izy. Ianao no fahatelo nantsoiko, dia namaly ianao” Izany tantara izany dia mampanontany tena ahy hoe firy ary no kitik’Andriamanitra nataoko tsinontsinona satria mbola tiako hiampy adiny iray ny torimasoko na mihevitra aho fa ny zavatro manokana hataoko dia zava-dehibe noho ny fitarihan’Andriamanitra. Te ho mora maheno an’Andriamanitra aho ary ho afaka hamaly ny feony. Mino aho fa ianao koa. NA IZA NA IZA DIA AFAKA AMPIASAIN’ANDRIAMANITRA Fitsipika amin’ny ankapobeny, Andriamanitra dia mampiasa olona manetry tena, mora fo ary manana finoana sahy. Miteny amintsika Izy amin’ny maha mpino feno ny Fanahy antsika, fa

Page 52: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

52    

mibitsika amin’olona tsy feno ny Fanahy koa Izy. Koa satria lehibe loatra ny fahasoavany dia indraindray Izy mampiasa olona izay tsy miara-mandeha Aminy akory aza. Ny Soratra Masina dia feno an’Andriamanitra mampiasa olona malemy, Raha olona tapitr’ohatra no tadiaviny dia mety tsy hahita Izy. Isika mahalala an’i Abrahama “Rain’ny finoana,” fa nandainga momba ny vadiny izy ary naneho tsy fahampiam-pahasahiana tamin’ny fotoana sasantsasany. Jakoba dia iray tamin’ireo Patriarka, nefa tena mpamitaka ny rahalahiny mandra-pitolony tamin’Andriamanitra. Tamin’I Samoela mbola kely, Hana reniny nanantanteraka voady ary nanolotra azy an’I Ely mpisorona mba hotezaina tao Andriamanitra tempoly (I Sam 1:3). Niaina tao an-tranon’Andriamanitra ilay zazalahy fa tsy mbola nahare ny feon’Andriamanitra mihintsy izy. Indray alina, niresaka tami’I Samoela ny Tompo, fa tsy fantany. Noheveriny fa I Ely no niantso azy. Ely dia tsy ohatra tsara amin’ny maha ray na mpitarika ara-panahy, nony farany dia nahalala izy fa ny Tompo no niresaka tamin’ilay zazalahy. Taorian’ny fanintelony nandrenesan’I Samoela feo dia niteny azy Ely hoe: “Andeha mandry ihany, ary raha tahiny miantso anao izy dia valio hoe: Mitenena Jehovah ô! Fa mihaino ny mpanomponao” (I Sam 3:9) Tahaka izany ihany koa, betsaka amintsika no mitovy amin’I Samoela. Matetika mankany an-tranon’Andriamanitra isika, fa tsy mandeha ho azy amintsika ny mamantatra ny feon’Andriamanitra. Matetika mihitsy, tsy mihaino isika raha tsy efa misy olana, ary indraindray olana be. Tamin’izaho mbola kely, ny raiko dia nanana fandraharahana tamin’ny fitondrana fiara vaventy. Maty izy fony aho 17 taona ka dia notohizako ny fandraharany mitatitra voankazo tany Texas. Dia nitatitra hazo noely avy any New Mexico tamin’ny kamio koa aho sy paiso avy any Colorado. Tamin’iny alina be iny aho raha handeha 500 kilometatra, any Caprock, Texas dia maty tsy nandeha intsony ny motera.Maty teo afovoan’ny arabe misy laharana telo ireny ilay fiara. Tsy hitako izay hatao. Niezaka namily ilay kamio sy ny remorka haka sisiny aho fa tsy nety satria fiakarana ny lalana, ka tsy afaka nandeha lavitra aho. Nijanona moramora ilay

Page 53: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

53    

kamio. Nipetraka teo aho minitra vitsy, niezaka nieritreritra ny zavatra hataoko. Navelako niverina midina ny fidinana ilay kamio dia nalaiko ny embrayage, fa tsy nisy na inona na inona niseho. Tsisy herin’aratra(courant) ilay fiara. Na dia nanandrakandrana teo aza aho dia tsy velona ilay fiara. Nony kelikely vao hitako fa nisy court-circuit. Nanao hadisoana be mihitsy aho nampihemotra ilay izy. Rehefa nanao izany mantsy aho, dia nivilana ilay remorka ka nikorisa nanapaka ny lalana roa amin’ilay lalan-dehibe. Dia tavela teo ilay kamio. Nivoaka aho dia nijery ny olana nahazo ahy: tavela teo afovoan’ny arabe aho, iny alina be iny, tsisy jiro, tsisy herin’aratra, tsisy zavatra azo atao nampitandremana ny fiara mandalo fa ny fiarako sy ny remorka tarihiny dia mitsivalana manapaka ireo lalana roa amin’ ilay lalan-dehibe. Soa ihany, fa tsy be mpandefa iny andrefan’I Texas iny. Mbola vao 17 taona monja aho ary tena mbola lavitra an’Andriamanitra. Nahalala momba an’Andriamanitra aho fa tsy nanana fifandraisana Taminy. Rehefa nihalehibe aho, nanana olana tamin’ny zava-mahadomelina ny reniko. Nentiny tany am-piangonana isaky ny Alahady aho. Tahaka an’i Samoela izay niha-lehibe tao an-tranon’Andriamanitra aho, saingy mbola lavitra ny fahafantarako Azy. Rehefa nipetraka tao anatin’ny fiara aho tamin’iny alina iny, dia nanomboka nivavaka satria nitady ny fanampin’Andriamanitra. Nanao vavaka nibitsibitsika aho: “Jesosy ô! Vonjeo aho!” Tsy haiko ny manazava azy, fa efa telo na efatra minitra tavela teo ampovoan’ireo lalana ireo ny fiarako, dia nisy zavatra mahagaga niseho: Velona tampoka ny moterako! nosarihiko naka sisiny ilay izy, dia maty indray. Tamin’io alina io dia nahafantatra aho fa nihaino ilay vavaka tsotra nataoko Andriamanitra. Fa mety manontany ianao hoe ahoana no ahafahan’Andriamanitra mihaino vavak’olona mbola tsy nateraka indray? Mino aho fa mihaino Izy, zavatra roa no fantatro fa nanampy ahy iny alina iny: Betsaka ny olona izay nivavaka ho ahy. Teo ny reniko sy ireo fianakaviako nivavaka ho ahy tsy tapaka. Raha tsy noho ny vavak’izy reo dia mety ho tsy tahaka izao aho androany.

Page 54: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

54    

Tsapako ilay fitiavana tsy mampino ananan’Andriamanitra ho an’ny tsirairay avy amintsika. Andriamanitra dia maneho ny fitiavany amin’ny olona eny fa na dia mbola niraharaha Azy akory aza. Ny teolojiana dia miantso izany hoe: “Fahasoavana mialoha.” Ilay fahasoavana tonga mialohan’ny famonjena antsika. Na dia nanota aza aho, Andriamanitra dia nanampy ahy, nisarika fiara maty niala tamin’ny làlana. Ny valim-bavako avy Aminy dia niaro ahy tsy ho azon-doza sy tsy hamono olon-kafa iny alina iny.

Matetika loatra isika dia mifantoka amin’ny zavatra ilaintsika, ny planintsika, ny tanjontsika ary manantena an’Andriamanitra hampifaly sy hampahomby antsika foana. Ny tsy fijerena afa-tsy ny tena ihany dia tsy fiainam-pinoana loatra. Tsy ny momba antsika foana no tadiavina. Ny fahasoavan’Andriamanitra dia te hanampy ny olona voaratra, mila fanampiana ary ny malemy; fahafinaretana ho Azy ny maneho ny Tenany amin’izy ireny. Tsy nantsointsoina foana hoe “Fahasoavana Mahagaga” izany fa lehibe loatra ! Eritrereto kely izany….

1. Inona no antony heverinao mahatonga ny olona betsaka hihevitra fa tsy afaka ampiasan’Andriamanitra? Efa nahatsapa toy izany ve ianao?

2. Inona no fahamarinana sy teny fikasana manome antsika fiadanana sy fahasahiana ka mahatonga antsika mino fa azony ampiasaina?

3. Ahoana no mahatonga ny vavaka, fianarana Baiboly, firesahana amin’ny kristiana namana matotra ara-panahy sy mahatoky hanampy antsika ho mora mahatsapa ny kitik’Andriamanitra?

4. Mampahery anao sa mahakivy anao ny mahalala fa Andriamanitra dia mampiasa olona tsotra hanatanteraka zava-dehibe tsy takatry ny saina ho an’ny fanjakany? Hazavao ny valinteninao.

Page 55: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

55    

FIZARANA FAHAEFATRA

MIANATRA MAMANTATRA

Izaho dia resy lahatra fa ny tena kristiana rehetra dia samy manana faniriana lalina hiresaka amin’Andriamanitra. Mbola maro koa anefa ireo mpino mbola tsy nahita ny fiasan’izany fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy izany. Na manao ahoana na manao ahoana ny fiainam-panahy misy antsika, isika rehetra dia mila mamantatra ny feon’Andriamanitra. Mila fiofanana sy traikefa isika hamantarantsika ny kitik’Andriamanitra. MIJANONA, MIJERE, MIHAINOA Izaho sy Karen dia nanana tombon-tsoa tamin’ny fitandremana fiangonana telo, ary ny tsirairay tamin’izy ireo dia niasan’Andriamanitra manokana avokoa. Miasa amin’ny fiangonana tsirairay Izy amin’ny fomba maro samy hafa. Raha te handingana miaraka amin’ny Fanahy isika dia mila mandeha mora, mandinika izay zavatra ataon’Andriamanitra ary manaraka ny onjan’ny Fanahy. Amin’ny fivoriana rehetra dia miarahaba ny olona rehetra aho rehefa miditra izy. Mandray ny tanany aho, mijery ny masony, ary mihaino izay lazainy. Ny fomba fiasako dia “Mijanona, mijery ary mihaino”. Betsaka amin’ny olona miditra ny varavaranay no efa nangataka an’Andriamanitra hanao zavatra

Page 56: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

56    

amin’ny fiainany na amin’ny fiainan’ireo olona izay tiany. Alohan’ny hidirany ny varavaran’ny fiangonana dia efa nivavaka be izy! Ary betsaka ny olona miandry an’Andriamanitra hanao fahagagana. Mandritra ny herinandro, izaho sy ny ekipako dia mangataka amin’Andriamanitra hamaly ireny vavaka ireny. Na izany aza, betsaka amin’ny olona izay tonga no mamoy fo. Efa eo amin’ny fara-fanantenany izy. Mety nivavaka izy hoe “Mandra-pahoviana Tompo ô! Hafiriana no hiainako miaraka amin’ity homamiadana ity? Rahoviana ianao no hanampy ahy amin’ny fandraharako? Inona no zavatra hataoko dia hotanteraka ny famonjena ny zanako…na omeo toro-lalana aho ho an’ny hoaviny! Tompo ô! Moa hanampy ahy hahazo zanaka va Ianao? Ray ô! Inona no azoko atao amin’ilay zava-mahadomelina mamatotra ny zanako lahy?” Tsy hoe vavaka foana ireny. Ireny olona ireny dia nandondona mafy ny varavaran’ny lanitra, fa hatramin’izao aloha dia mbola tsy nandray valiny. Rehefa avy nandray ny tanan’olona vitsivitsy aho, dia matetika aho mitsangana ety amin’ny rindrina aorina amin’ny fiangonana. Maninjitra ny tanako amin’ny fiangonana aho, ary mivavaka amin’Andriamanitra hanao ilay zava-mahagaga. Afaka hira roa na telo amin’ny fivoriana, dia tsy miresaka amin’ny olona intsony aho. Mijery ny olona rehetra manodidina aho ary mivavaka ho an’ny rehetra. Mandritra izany rehetra izany aho dia mihaino izay zavatra mety ho lazain’ny Fanahy Masina amiko, ho an’olona iray eo amin’ny vahoaka na ho an’ny fiangonana rehetra. Mandritra ilay vavaka ataoko iny, ny Fanahy dia mety manome ahy sary na teny momban’olona manokana. Fantatro fa ny Fanahy Masina izany satria izaho amin’ny ankapobeany dia tsy liana amin’izay miseho amin’ny fiainan’olona. Ary fantatro fa tsy hoe vokatry ny faharani-tsaina ananako. Ny fanomezam-panahy dia tsy miankina amin’ny talenta voajanahary na faharanitan-tsaina. Efa nitranga taminao ve izany? Misy hevitra mivoaka avy ao an-tsainao dia mieritreritra ianao hoe: “Tena marani-tsaina aho.” Fa avy eo dia tonga saina ianao ary dia mahatsiaro faingana: “Fantatro fa tsy maintsy ny Fanahy Masina izany satria raha izaho dia tsy afaka nahatsikaritra izany irery.

Page 57: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

57    

Tena mampieboebo ny miasa miaraka amin’ny fanomezam-pahasoavana. Mila miditra lalina amin’ny toe-po manetry tena isika “Avy amin’Andriamanitra ilay izy, ao amin’Andriamanitra ary ho an’Andriamanitra,” tsy misy momba antsika velively. Na dia ny Apostoly Paoly aza, ilay mpitarika fiangonana lehibe indrindra dia niaiky: “Sombitsombiny no fantatro, sombitsombiny ny faminaniako” ary “mizaha eo amin’ny fitaratra fa tsy mahita marina” (1 Kor 13:9-12). Rehefa manomboka manome ahy bitsika momba ny olona iray Andriamanitra, dia tena mahalana no ahazoako azy mazava tsara. Mahita ampahany sy tsy mazava tsara fotsiny aho, fa azoko antoka tsara fa Andriamanitra mahita amin’ny 3D. Rehefa mametraka olona ao am-poko Andriamanitra dia miezaka mandany fotoana miaraka amin’iny olona iny aho hivavahana, hiresahana ary hamantarana izay tian’Andriamanitra hotenenina. Tsy te hiseho ho mahalala ny zavatra rehetra aho ka hanana hevi-diso Andriamanitra toe-javatra asehon’Andriamanitra ahy. Rehefa mifindra avy amin’ny tontolo hita maso mankamin’ny tsy hita maso isika dia mety hikorontana. Miezaka mandany fotoana tsy voaelingelina miaraka amin’ilay olona aho, mametra-panontaniana ary mihaino ny Fanahy eo am-piresahana. Matetika dia matetika, ilay resaka ataonay dia maneho ratra miafina sy ireo fanantenany ka hahaizako avy hatrany mamantatra ny tsy ampy eo aminy. Rehefa mamaky ny filazantsara isika dia talanjona amin’ny herin’I Jesosy manasitrana ny marary, manadio ny boka, mamerina fahiratana amin’ny jamba, manangana ny maty ho amin’ny fiainana indray, mandroaka devoly, mampitsahatra tafio-drivotra ary manao karazam-pahagagana maro. Na izany aza anefa dia mila mahita lavidavitra kokoa isika, Matio dia nahita: “Ary Jesosy nandeha nampianatra, nitory ary nanasitrana ny karazan’aretina rehetra” (Matio 9:35) Voarainao ve ilay izy? Nampianatra sy nitory taminy Izy mialohan’ny nanasitranany ny olona. Matetika isaky ny mahatsapa zavatra momba ny olona iray aho, dia tsy mbola mihetsika na milaza ilay teny raha tsy efa nitory ny tenin’Andriamanitra. Tena mahagaga ahy ny fomba hanehoan’ny

Page 58: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

58    

Fanahy Masina ahy zavatra maro mandritra ny fotoam-piderana mientana tsara. Matetika, azoko kokoa noho ny tamin’ny voalohany ilay izy aorian’ny fiderana sy ny toriteny. Nisy fotoana iray izay nananaran’I Jesosy olona nandodona Azy mba hanome teny faminaniana. Noteniny ireo mba hamaky sy handinika ny Baiboliny. Izany no tena loharano ahazoana ireo teny faminaniana. Vao haingana, nisy pasitera niteny ny fiangonany hoe “Manana teny ho an’ny tsirairay avy aminareo aho amin’ity fivoriana ity. Teny avy amin’Andriamanitra izany.” Dia nasainy nanokatra ny Baiboliny ho amin’ny andininy izay tandrifiny izy, mahazatra na tsy mahazatra. Nanazava izy hoe: “Teny avy amin’ny Tompo izany. Teny avy amin’ny Tompo izany satria ny Baiboly dia tenin’Andriamanitra” Ny kitik’Andriamanitra dia hetsika mahafinaritra ho an’ny olona manokana sy ny fiangonana, fa tsy afaka mivelona sy mihanona amin’izay fotsiny isika. Mila mifaly sy mivoky mandrakariva amin’ny fahamarinan’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly isika: mamaky, mianatra, mivavaka ary mampihatra izany. Avelao hanainga anao izany, hanitsy anao ary hitondra anao. Ny teny tsirairay ao amin’ny Baiboly dia teny tsindrimandrin’Andriamanitra avokoa. Tsy afaka alamintsika ny kitik’Andriamanitra. Indraindray ilay izy tonga miaraka be , fa indraindray kosa, vitsy kely no miseho amin’ny fotoana voafetra. Angamba mety misy olona mivavaka be momba lafin-javatra iray, mety manantena an’Andriamanitra hiteny aminy, na mety misy adim-panahy izay mahakasika izany. Fa Andriamanitra koa amin’ny maha masimandidy Azy, manana ny antony ary ny vanim-potoana izay hanatanterahany ny sitrapony. Tsy voatery fantatsika fa maninona Izy no manao izany ataony izany. Mila miaiky fotsiny isika fa Izy dia manam-pahendrena , fahatsarana ary hery tsy manam-pahataperana. Afaka matoky Azy isika. FEO TELO Amin’ny fotoana rehetra, afaka mahare feo telo aho ao an-dohako: ny feoko, ny feon’Andriamanitra ary ny feon’ny devoly. Ny iray amin’ireo feo ireo dia miresaka amiko foana, indraindray

Page 59: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

59    

dia roa na izy telo. Satria mitovy amin’ny feoko ireo, dia moramora ho ahy mihitsy ny mampifangaro. Zava-dehibe anefa ny manavaka, mamantatra azy tsirairay. Hoy Jesosy: “Ny ondriko mihaino ny feoko, fantatro izy, ary izy manaraka Ahy.” Jaona 19:27 Ahoana no ahafahako mamantatra ny feon’Andriamanitra? Mila mandany fotoana miaraka amin’Andriamanitra aho hianarana mahatsapa ny bitsiny, mihaino ny feony ary manavaka ny feony amin’ny hafa. Arakaraka ny handaniantsika fotoana miaraka amin’Andriamanitra dia mihamazava amintsika ny feony, ary arakarak’izay no mahatonga ny fanahitsika mifandray amin’ny Fanahy Masina. Tahaka ny hoe matanjaka ny antenne-tsika dia mahazo mazava tsara. Anisan’ny tena sakana lehibe dia ny kolon-tsaina nahazatra sy ny tsy fananana fotoana. Mihetsika foana isika, dia sady mieritreritra fa hisy tsy fetezan-javatra raha vao mipetraka mijanona fotsiny. Ilay mpanoratra Richard Foster dia nahita fa “ny tena fahavalotsika amin’ny ankapobeny dia zavatra telo: ny tabataba, ny fahamaikana ary ny vahoaka. Raha afaka mihazona antsika anaty fahabetsahana sy fahamaroana foana izy ho afa-po isika.” Mihoatra lavitra noho ny teo aloha, ny kristiana dia mila mandeha milamina ary mihaino ny feon’Andriamanitra. Ao amin’ny fiantombohan’ny Filazantsaran’i Lioka isika dia mahita lehilahy izay nianatra niandry ny Tompo ary niambina tsara ny bitsiny. Lioka dia mitantara antsika ny amin’I Simeona:

Ary , indro , nisy lehilahy atao hoe Simeona tao Jerosalema ; ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany ka niandry ny fampiononana ny Israely ; ary ny Fanahy Masina dia tao aminy. Ary efa nambaran’ny Fanahy Masina taminy fa tsy hahita fahafatesana izy mandra-pahitany ny Kristin’ny Tompo. Ary nentin’ny Fanahy Masina niditra teo amin’ny kianjan’ ny tempoly Izy ; ary rehefa nampidirin ’ ny ray aman-dreniny Jesosy zaza mba hanaovany araka ny fomban’ ny lalàna ny amin’ny zaza , dia nitrotro Azy izy ka nidera an’ Andriamanitra ka nanao hoe:Tompo ô, ankehitriny ny mpanomponao dia

Page 60: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

60    

alefanao amin’ny fiadanana araka ny teninao;fa ny masoko efa nahita ny famonjenao , izay namboarinao teo anatrehan’ny firenena rehetra .Dia fahazavana hahazava ny firenena sady voninahitry ny Isiraely olonao.Dia gaga ny ray aman-dreniny noho ny teny nilazana azy.Ary Simeona nitso-drano azy ireo ka nanao tamin’i Maria renin’ny zaza hoe : Indro ity Zaza ity no voatendry ho fandavoana sy ho fananganana ny maro ao amin’ny Isiraely ary ho famantarana holavina ary ny fanahinao aza dia ho tsatohana sabatra mba haseho ny hevitry ny fo maro Ary nisy mpaminany vavy anankiray ,dia Ana , zanakavavin ’ i Fanoela, avy tamin’ny firenen’ i Asera ; efa anti-panahy tokoa izy ary efa nitoetra tamin’ny vadiny fito taona taorian’ny naha virijiny azy, ary efa mpitondra tena tokony ho efatra amby valo-polo taona ; ary tsy niala teo amin’ny kianjan’ny tempoly izy fa nanompo tamin’ny fifadian-kanina sy ny fivavahana andro aman-alina .Ary nony niditra tamin’izany ora izany izy, dia nisaotra an’Andriamanitra ka nilaza Azy tamin ’izay rehetra niandry ny fanavotana tao Jerosalema. (Lioka 2:25-38)

Nahare ny feon’ny Tompo I Simeona. Tsy nisahirana tamin’ny feo hafa izay nandalo tamin’ny fiainany izy. Nianatra nanarona ny feo hafa izay niantsoantso sy nibitsika taminy izy, ary Simeona dia tsy maika. Nanana ny kitik’Andriamanitra izy fa niandry an’Andriamanitra izy haneho aminy ny valin’ny vavaka nataony. Nony farany dia ravoravo izy nitrotro ny Mesia teo an-tanany. Tokony ho azotsika izay zavatra niseho tao amin’io tantara io. Tsikaritra ny faharetan’ny fiandrasan’I Simeona. Any amin’ny fiantombohan’ny tantaran’ny fiainan’i Kristy, ny vahoaka Jiosy dia niaina tao anatin’ny 400 taona mangina nanomboka tamin’ny nijanonan’I Malakia tsy nanoratra. Nisy feo vitsy avy tamin’Andriamanitra ary bitsika tena vitsy dia vitsy. Simeona dia lehibe tamin’ny fotoana izay tena maizina ara-panahy tamin’ny

Page 61: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

61    

tantaran’ny Israely. Nisy soratra taloha izay nilaza fa 113 taona izy tamin’izy hita ao amin’ny Filazantsaran’i Lioka. Nahatsapa avy tamin’Andriamanitra izy fa ny “fampiononana ny Israely”, Ilay Mesia nampanantenaina dia ho teraka amin’ny androm-piainany. Fa nandroso ny fotoana, Simeona dia olona ampy fifantohana hatrany. Farany, dia vavolombelon’ny zavatra nampanantenaina azy izy. Nihaino izy, niandry ary natoky an’Andriamanitra izay manana ny làlany sy ny fotoanany. Simeona dia ohatra tsara ho antsika. Firy amintsika no hiala an-dalana mialoha ny fotoana sarobidy? Miaina anaty vanim-potoana maika lava isika, entin’ny kolotsaina. Manantena an’Andriamanitra isika hamaly vavaka antsika. Tsy tiatsika anefa ny miandry. Raha mianatra miandry isika, dia hahita fa harena be ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra, ary hahita Azy miasa amin’ny fomba mahafinaritra isika. Nahafantatra mpanompon’Andriamanitra aho izay tsy natory mihitsy nandritra ny alina nanampy tanora mpianatra amin’ny oniversite iray ho afaka fa nidiran’ny devoly. Ilay tanora zazalahy dia very saina sady tsy niteny. Ora maromaro no nivavahana ho an’ilay tanora zazalahy, dia afaka izy ary niverina ny sainy sy ny teniny. Taorian’izany, I Norvel Hayes dia nanao fanamarihana ny zavatra izay nitranga. Nilaza zavatra izay nahavariana ahy izy. “Betsaka ny olona izay tsy afaka mahavita izay nataoko, tsotra fotsiny satria tsy manam-paharetana izy. Mila mangataka amin’Andriamanitra ianao hanome anao ny fanomezana faharetana, raha te hanao ny asa izay nataon’I Jesosy ianao.” Simeona dia nanana fitiavana sy faniriana ary fanajana lalina an’Andriamanitra. Raha te haheno ny feon’Andriamanitra isika dia tsy tokony ho kristiana anarana fotsiny, manome ampaham-potoana fotsiny, na tsy mafàna tsy mangatsiaka. Tokony mitsoraka lalina anatin’ny ranom-pitiavan’Andriamanitra isika, ho talanjona amin’ny heriny tsy mety lany, ary mahita ny antony mahaizy antsika sy ny heritsika ao Aminy irery ihany. Amin’ny kolotsainanay, dia tsy misy olona betsaka mitolo-tena hoan’i Jesosy ambongadiny loatra. Matetika ny olona izay mpiditra am-piangonana dia mijery lavidavitra fotsiny sy manao fihomezana

Page 62: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

62    

ny olona izay tena manolo-tena feno amin’ny “fahadalan’ny fitiavana an’Andriamanitra”. Ny olona izay te hahalala Azy, hitia Azy, hanaja Azy dia hafahafa raha amin’ny fomba fijerin’izao tontolo izao, fa mifanaraka tsara amin’ny fihevitr’Andriamanitra kosa izany ho an’ny zanany tsirairay. Fitiavana sy fankatoavana lalina dia “fiainan’ny kristiana ara-dalàna.”

Ny Fanahy Masina dia nitondra an’I Simeona tany an-tempoly io andro io. Nianatra niaina tamin’ny fitsipiky ny Baiboly izy: Ny olona manolo-tena feno dia mihetsika miaraka amin’ny lahatra ao an-tsainy. Mivavaka mibitsibitsika mandrakariva izy “Tompo ô! Inona no anjarako avy Aminao androany?” Ny olona manolon-tena feno dia mora mahatsapa ny kitik’Andriamanitra, fa miandry ny Tompo izy mialoha ny handraisany fanapahan-kevitra lehibe. Ny mpanao salamo dia miresaka ny vokatry ny tsy fahaizana mahatsapa ny fitarihan’Andriamanitra: Nalaky nanadino ny asany izy ka tsy niandry ny saina hatolony ,fa fatra-pila izy tany an-efitra , sady naka fanahy an’Andriamanitra tany an-tany foana.Dia nomeny azy izay nilainy ,kanefa nampahahiaziny kosa izy (Sal 106:13-15)

Rehefa manadino an’Andriamanitra isika, dia ny faniriantsika sy fitiavan-tenatsika no manjaka ao an-tsaintsika. Mety ho azotsika izay ilaintsika, fa manimba ny fiainantsika izany. Mandritra ny andro, isanandro, ny olona dia mitady laza, fananana ary toerana. Mieritreritra izy fa ireny zavatra ireny dia afaka mameno ny banga eo aminy nefa tsy mahavita izany. Andriamanitra ihany. Mety hahatratra ny tanjony izy, fa ny asany dia mivadika vovoka sy lavenona ihany. Simeona dia tsy karazan’ireny olona ireny, ary izaho koa dia tsy karazan’ireny olona ireny. Tsy te hanana “tsi-fahampiana amin’ny fanahiko” aho noho ny fanenjehako zavatra tsy mendrika. Ny zavatra maika dia tsy zava-dehibe foana, fa ny zava-dehibe dia maika foana. Rehefa tonga tao an-tempoly Simeona iny andro iny, dia tsy nahalala fa izay no fotoana hamaliana ny vavaka nataony, handeha hanolotra an’I Jesosy Kristy izy. Tamin’ny andro

Page 63: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

63    

fahavalo, no andro nitondran’ny ray aman-drenin’ny Zazalahy Azy ho atolotra ho an’ny Tompo. Simeona dia nahatsapa fa ity zaza ity, zanak’I Maria, no Mesia, Ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra hanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao. Azonao an-tsaina ve ilay faharavoravoana? Fa tsy afaka niseho izay raha tsy nahay nihaino tsara ny Fanahy izy ka niandry am-paharetana ny valiny avy amin’ny Tompo. Ny fahavarianana dia mety ho tonga amintsika amin’ny fotoana rehetra amintsika miezaka mihaino ny Tompo. Tamin’ny taona maro nahatsapako ny kitik’Andriamanitra dia nianatra aho fa rehefa amin’ilay hiteny amiko iny Andriamanitra, dia maneno ny finday-ko, na maharay hafatra sms aho, na mailaka izay tahaka ny maika avokoa. Raha tsy mitandrina aho, dia ho variana ary mety tsy handre izay nomanin’ny Tompo ho ahy. Nahatsikaritra koa aho fa rehefa mivavaka, ny minitra vitsivitsy voalohany dia matetika feno eritreritra an-jatony ny zavatra tokony hataoko. Mba hialako amin’izany zavatra mahavariana izany, dia entiko ao amin’ny efitra fivavahako ny diary fandaminako ny androko mba ahafahako manoratra izay rehetra tokony hataoko iny andro iny. Alohan’ny hivavahako na eo-panombohana mivavaka , dia manao lisitra ny andraikitra sy ny fivoriana rehetra mandritra ny andro aho. Rehefa vitako ilay izy, dia tsy manana irika intsony ny fahavalo, afaka mivavaka mifantoka kokoa aho amin’ny zavatra apetrak’Andriamanitra ao am-poko. Mazava ny saiko ary misokatra ny fanahiko. Olombelona natao hivelatra isika fa tsy natao handevozin’ny asa. Afaka ny ho sahirana be manao zavatra isika ka manadino ny maha olombelona antsika mihaino, mikarakara ary mamaly an’Andriamanitra sy ny hafa. Ny fihainoana dia misy ampahany asa, ampahany zava-kanto, ary ampahany siansa. Ny famantarana ny feon’ny Tompo dia miankina koa amin’ny fotoana itenenany. Ny atidohatsika olombelona dia afaka mandre teny 1800 ao antin’ny iray minitra. Ny olona tena faingam-piteny dia afaka mahateny teny 350 fotsiny ihany ao anatin’ny minitra. Amin’ny resaka ifanaovana amin’ny vady na zanaka, amin’ny fivoriana any am-piasana, na amin’ny fotoana amonjena fivoriam-piangonana, dia afaka mahare fifampiresahana telo na efatra anaty fotoana mitovyisika.

Page 64: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

64    

Tsy mitovy ny lanja omentsika ny feo tsirairay henotsika. Ohatra, ny lehiben’ny mpitandro filaminana(police) tonga tampoka dia afaka manintona antsika, ary amin’izany ny fifatohantsika dia mety azony zato isan-jato. Fa rehefa ny adolantsento(adolescent) no tenenina hanadio ny efitranony,tsy hita mihintsy ny fiantraikan’ilay teny. Raha rahonana ny mety ho vokatr’izany izy, dia matetika hiteraka fihainoana ihany. Ny valisoa sy ny vokatra dia mety mampitombo ny fihainoana. Rehefa resy lahatra ny amin’ny zavatra ilaintsika isika dia mitandrina. Simeona dia olona mpivavaka, olona mpanolo-tena feno, ary olona nahay nanavaka ny soa. Tia an’Andriamanitra tamin’ny fony rehetra izy, nivelatra tamin’ny fiarahana lalina tamin’Andriamanitra, ary namantatra ny feon’Andriamanitra, namaly tam-pinoana izy. Rehefa manaraka ny ohatra nataony isika, dia mianatra manavaka ny feon’Andriamanitra, amin’ny feon’ny fanirian’ny tenatsika sy ny feon’ny devoly. Ahoana no hahalalantsika fa feon’Andriamanitra miresaka amintsika izany? Mametraha fanontaniana vitsivitsy mifandraika amin’izany tsara:

1. Mifanaraka amin’ny tenin’Andriamanitra ve izany? Ny teny avy amin’Andriamanitra dia tsy mba mifanohitra mihitsy amin’ny fahamarinan’ny Baiboly.

2. Mankalaza an’I Jesosy ve ilay izy? Ny zavatra rehetra ataoko, ny zavatra rehetra henoko avy amin’ny Fanahy Masina dia ho fankalazana an’I Jesosy.

3. Manampy olona ve ilay izy? Andriamanitra dia manana fo hoan’izay maratra ary maniry hambabo ny olombelona. Fantatro fa Andriamanitra izay raha toa ka hanampiana olona ilay izy, satria izay no natioran’Andriamanitra. NY FEON’ANDRIAMANITRA Rehefa mibitsika amintsika Andriamanitra, dia tsy mba miteny miampanga na manameloka na maka fanahy antsika izany mihitsy. Afaka matoky izany ianao! Efa nahare teny manimba

Page 65: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

65    

notenenin’ny kristiana aho, ary indraindray aza avy eny amin’ny pilipitra. Mahamenatra sy tsy mampino. Ny fahasoavan’Andriamanitra, ny fitiavany, ny famelany heloka no hafatra voalohany omen’Andriamanitra holazaintsika amin’izay mila izany. Filazantsaran’ny fahasoavana izany, ary ny olona tsy mba leo mihaino izany! Tsy mila manondro ny fahotany aminy aho. Ny Fanahy Masina no manao izany mandritra ny fotoana hiresahako azy momba an’I Kristy. Tsy voatery hasaina manaraka ny didy folo na ny toriteny teo an-tendrombohitra izy. Asan’ny Fanahy no manaitra ny fo ary mampihetsika ny olona hiaina ho an’Andriamanitra. Ny hafatra ny amin’i Jesosy dia hoe ratsy loatra isika ka nahatonga ny fahafatesan’ny Zanak’Andriamanitra ho saran’ny fahotantsika, fa tiany loatra isika. Sitrapo asesiky ny fitiavana no nanolorany ny ainy ho antsika. Izany hafatra izany no manafaka sy mahatonga saina ny olombelona. Mariky ny fahasoavan’Andriamanitra hafa ihany koa, ny fahavononany hamerimberina ny hafany hatrany hatrany. Jereo ny mpianatra: miadana be ny fomba fahazahoany ny hafatra sy tanjon’I Jesosy, ary isika akory tsy dia hoe samihafa amin’izy ireo! Andriamanitra dia matetika miresaka amiko mihoatra ny indray mandeha. Raha manatrika fivoriana aho, na any amin’ny mpivarotra kafe, dia mandray bitsika avy amin’Andriamanitra ho an’olona iray, izay tsikaritro matetika, fa mandeha ihany aho manao ny asako. Raha miverina fanindroany ilay fahatsapana, dia manomboka mino aho fa mety ny feon’Andriamanitra izay. Ahoana no hamantarako fa feoko izany? Ny feoko amin’ny ankapobeny dia te hampahazo ahy ny voninahitra rehetra, hampahomby ny ataoko Andriamanitra fomba rehetra na ratsy aza, mitsoaka fanamby ary indrindra hahazo laza. Ny fireharehana dia olana goavana nefa indraindray voasarotsarona. Afaka miteny isika hoe manao zavatra hankalazana an’Andriamanitra, fa ao ambadik’izay, dia te ho hita fa mamirapiratra, na koa hoe“Kristiana tsara”, na koa hoe manana “manana fo antra.” Afaka mamita-tena isika raha mihevitra fa madio ny antony hanaovantsika zavatra. Andriamanitra dia niteny tamin’I Jeremia mba hampitandrina ny

Page 66: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

66    

vahoaka: “Mitady zavatra lehibe ho anao va ianao? Aza mitady izany!” (Jeremia 45:5) Aza gaga raha maneho aminao ny Tompo fa misy ambadika, na fitiavan-tena no antony hanaovanao zavatra. Isika dia manana an’izany daholo, saingy tsy ny rehetra amintsika no mahatsikaritra izany sy manetry tena hibebaka amin’izany. Nandray kitik’Andriamanitra ho an’olona nahavita zavatra tsy mampino aho. Ny sasany nahavita fahotana mahatsiravina sy famonoana, fa Andriamanitra tia ny olona rehetra ary te hanao zavatra lehibe amin’ny fiainany. Tsy mila mamelively ny fahotan’ny olona akory aho. Ny fony aza efa mafy ka tsy misy akony aminy intsony ny fikapohako azy. Tsy mila ny feoko izy hanampy azy hanamelo-tena. Fa mila ny feoko izy hiresaka momba ny ho avy, ny fanantenana ary fiainana izay afaka ho azony ao amin’I Jesosy Kristy. Ahoana no ahafahantsika mamantatra ny feon’ny devoly? Feo mirehareha izany: “Andeha sintony hiala amin’ny chaise roulante io olona io dia ho hitan’ny vahoaka ny fahalehibiazanao. Ny hafany dia manohitra ny tenin’Andriamanitra. Miampanga anao hatrany: “Ianao tena tsisy saina! Andriamanitra tsy afaka ny hampiasa olona tahaka anao izany mihitsy.” Manameloka foana izy “Ho afa-baraka eo ndray ianao. Jereo anie ny fahotana rehetra vitanao hatrizay e. Tena mihevitra ve ianao fa Andriamanitra hamaly vavaka anao?” Ary maka fanahy antsika hanao karazam-pahotana maro be izy, anisan’izany ny fialonana, ny fangidiana, filàn’ny nofo, fahamamoana, ary maro hafa koa. Mety mandre feo mandresy lahatra isika, izay miteny matetika hoe “Aza miraharaha an’izany e! Tsy misy olona hahita anao eo, sady amin’izay tsy manafintohina n’iza n’iza ianao” Nisy namako niresaka tamiko hoe rehefa miteny amiko ny Tompo dia intelo foana matetika. Raha mahare teny manokana toa avy amin’Andriamanitra izy intelo, dia fantany fa tena avy amin’Andriamanitra izay. Ny ahy indroa dia toa ohatra ny efa ampy, fa raha mahare fanintelony aho, dia tombony ho ahy.Tsy maintsy mailo foana amin’izay hafatra voaraiko aho. Raha miandry aho ary mahatoky an’Andriamanitra hamerina izany, dia mamindra fo amiko Andriamanitra hanamafisaka manamafy

Page 67: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

67    

ny bitsiny. Ny fahavalotsika dia ny tsi-faharetana. Maka fanahy indray mandeha izy, ka raha tsy manaiky aho dia miala amiko izy. Fa raha Andriamanitra no te hanao zavatra, manome bitsika be dia be Izy hanamafisany ny hafany. Tahaka izay no fiasany amiko. Matetika dia anarana na tarehin’olona fotsiny no hitako. Tsy maharay hafatra iray manontolo mihitsy aho hozaraina amin’olona. Rehefa maharay ampahan-kafatra momba ilay olona aho, dia izao no lazaiko azy: “Mahatsapa aho fa tian’Andriamanitra hivavaka ho anao.” Afaka manao izany fanambarana izany aho eo anatrehan’olona aman’arivony ary tena mahatsapa ao tsara. Fa rehefa mandingana ny varavaran’ny vavaka aho, dia manome ahy ny ampahany faharoa Andriamanitra. Raha tsy misy zavatra manokana tonga ao an-tsaiko, dia manomboka mametra-panontaniana aho. Izao no anontaniako: “Inona no nahatonga ny Tompo nametraka anao tato am-poko androany?” na mety ho izao koa no anontaniako: “Inona no ilainao avy amin’ny Tompo?” Rehefa mahare azy mizara ny ao am-pony aho, dia afaka mamantatra ny tena fandehan’ny zava-misy. Mety tonga ao an-tsaiko eo no ho eo izany nefa mety elaela koa. Tsy maninona izany. Tsy sakana ny fotoana. Tsy maika aho. Te ho mahatoky aho, maharitra, hahatsapa ny ao am-pon’Andriamanitra sy ilay olona. Ao anatin’ny fifampiresahana dia mandeha ny vavaka mangina be dia be. Manontany aho hoe “Tompo ô! Inona no zavatra tianao lazaina aminay eto?” Matetika mihitsy, dia mamaly Izy, manome anay fahatakarana ilainay ahafahana matoky Azy Andriamanitra zavatra izay nangatahana fanampiana teo aloha.

Page 68: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

68    

MPANABE Nahare ny kitik’Andriamanitra ve ianao tao ho ao? Raha tsia, na raha somary tsy mazava aminao ny hafatra avy amin’Andriamanitra, na raha manana olana ianao amin’ny fihainoana ireo feo telo ireo, dia mitadiava olona izay mahay sy manana traikefa amin’ny kitik’Andriamanitra. Aman-taonany no niarahako tamina mpitandrina, mpitarika laika, mpitory teny ary evanjelistra izay mahatsapa ny Fanahin’Andriamanitra. Avy amin’izy ireny no nianarako namantatra ny feon’ny Tompo. Manana namana aho, ny rainy dia evanjelistra mahery sy mpanasitrana. Nanontany ny namako aho: “Ahoana no nianaranao namantatra ny feon’ny Tompo, ary ahoana ny fomba hampiasàny anao?” Nanome ahy valiny nanaitra be izy. Hoy izy: “Nihalehibe tamin’izany aho, natiorako faharoa izany” Na ho ela na ho haingana, dia manantena aho fa ny kitik’Andriamanitra dia ho natioranao faharoa ihany koa. Miaraha amin’ny olona tahaka izany ianao, miara-mivory aminy, amin’ny toerana izay hanombohanao mamantatra ny feon’Andriamanitra. Raha ohatra ianao tsy ao anatin’ny fiangonana dia mitadiava olona feno ny Fanahy sy velona miaraka amin’ny fitiavan’I Jesosy. Raha mandany fotoana be miaraka amin’ireny olona ireny ianao dia hianatra lesona tsara, hivelatra amin’ny fahaizana mihaino, ary lasa mora mahatsapa kokoa ny feon’Andriamanitra. Andriamanitra dia hampiasa anao ho iray amin’ny iraka voafidiny ety an-tany, satria fantany fa ianao dia vonona ny ho mpanefa ny irany hamaly ny vavaky ny olona. Aleo aho hilaza teny vitsy ny amin’ny fampiasana ny kitik’Andriamanitra ao am-piangonana. Izaho dia tao amin’ny fiangonana feno ny Fanahy nandritra ny fotoana ela be. Nandritra ny taona maro, izahay rehetra dia nahita zavatra mahagaga vita sy natao tamin’ny anaran’I Jesosy. Anisan’ny zava-dehibe tokony ho tsaroana rehefa hihetsika amin’ny kitik’Andriamanitra, dia araka ny voalazan’ny 1 Korintiana 14:40 fa ny zavatra rehetra dia tokony atao amin’ny fahamendrehana sy amin’ny filaminana. Nisy namako iray izay isan’ny mpino tao amin’ny fiangonana kely iray, tamin’izay dia nisy vehivavy nanomboka nanatrika tao, hita

Page 69: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

69    

avy hatrany fa avy amin’ny pentekotista no niaviany. Mafana fo be izy amin’ny fomba fiderany, ary indraindray dia nahatonga tsy fahazoan’aina ho an’ny olona hafa izay nanatrika ny fivoriana izany. Izy dia nihevitra fa ny fomba fiderany dia ankasitrahan’Andriamanitra kokoa noho izay atao ao am-piangonana, ka dia nanatona ny mpitandrina foana izy taorian’ny fivoriana ary niteny taminy hoe: “Andriamanitra niteny tamiko hilaza aminao …fa ianao dia tokony hampiasa ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy kokoa mandritra ny fivoriam-piangonana.” Herinandro maro mifanesy, ilay vehivavy dia miteny amin’ny mpitandrina foana hoe: “Andriamanitra niteny tamiko hilaza aminao…” Nanomboka niantraika tamin’ny hafa tao am-piangonana izany zavatra nataony sy fomba fisainany izany, satria tsy tamim-pahamendrehena sy tamim-pilaminana.

Nony farany dia tsy nahazaka izany intsony ilay namako. Niatrika azy izy dia niteny hoe: “Diane an! Andriamanitra dia nametraka ny mpitandrina-tsika ho amin’ny toerana manam-pahefana amin’ny fiangonana sy ny olona manatrika rehetra. Ny fomba fideranay no fomba napetraky ny mpitarika ny fiangonana. Diso ianao raha miteny tsisy farany ny mpitandrina hoe “Andriamanitra niteny tamiko hilaza…” hanao zavatra hafa. Tsy azonao an-tsaina ve fa raha tian’ Andriamanitra hanao zavatra hafa izy, dia Izy mihitsy no hilaza mivantana amin’ny mpitandrina?” Tsy ela taorian’izany dia lasa Diane ary nahita toerana hafa hiderana. Nandà ny ho eo ambanin’ny fitarihan’izany fiangonana izany izy.

Izao no famintinana izany: Ny fiangonana rehetra dia samy manana ny rafitra ho azy. Izaho sy ianao dia mila mahazo ny kolon-tsain’ny fiangonana misy antsika ary manaiky ny fitondrana ao. Raha mbola tsy ankasitrahan’ ny mpitandrina ny hampiasanao ny fanomezam-pahasoavana ao anatinao dia mila manaiky izany ianao. Andriamanitra dia nametraka ny mpitandrina hitarika ny fiangonana ka miasa sy mitarika Izy amin’ny alalan’io mpitarika io.

Nahatratra enina arivo mahery kely olona mpanatrika ny fivoriam-piangonanay isan-kerinandro tamin’iny taona lasa iny. Azonao an-tsaina ve ny korontana sy savorovoro entin’izany ao am-piangonana raha ny tsirairay ao am-piangonana samy hiakatra ka hilaza amiko hoe: “Andriamanitra niteny tamiko…”

Page 70: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

70    

Eritrereto kely izany…

1. Inona no fomba na làlana hahafahanao mamantatra ny fanantenana na tahotra miafina ao anatin’ny olona iray? Ahoana no fomba hahitanao ny anao manokana?

2. Hazavao ny fahasamihafan’ireo feo telo: ny an’ Andriamanitra, ny anao, ary ny an’ny devoly.

3. Ny fahasahiranana ve mahavariana anao tsy ahafahanao mihaino an’ Andriamanitra? Satria nahoana na nahoana no tsia? Raha izany, inona no azonao atao momba izany?

4. Inona no hataonao hahatonga ny kitik’Andriamanitra ho natioranao faharoa?

5. Iza no olona fidinao ho mpanolon-tsaina anao sy hotarafinao?

Page 71: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

71    

FIZARANA FAHADIMY

MANDRESY NY SAKANA AMIN’NY KITIK’ANDRIAMANITRA

Aza gaga raha manohitra ny kitik’Andriamanitra ianao. Ny sasany amintsika manohitra satria matahotra, ny sasany satria sahirana. Ny sasany indray manambony tena ka tsy te hanatona ny karazan’olona heveriny fa ambany sy maloto nefa anirahan’Andriamanitra azy. Mahazo ny olona rehetra izany. Ao anatin’izany, isan’ny tantara malaza indrindra ao amin’ny Baiboly ny tantaran’ilay lehilahy nitsoaka, nandeha sambo lavitra nandositra antson’ Andriamanitra.

TSY FITIAVANA VONDRON’OLONA

Jona dia mpaminany tany Israely izay nanao ny “ENY” tamin’Andriamanitra tany aloha. Efa nanaiky izy ny ho mpanefa ny irak’ Andriamanitra kanefa Andriamanitra dia nampanao azy zavatra “ivelan’ny eritreriny….” . Ny Tompo niteny tamin’I Jona handeha ho any Ninive hilaza azy ireo ny fitiavana sy ny herin’Andriamanitra. Fa Jona nankahala ireo olona ireo. Ny tiako holazaina dia tsy tian’I Jona

Page 72: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

72    

maizina izy ireo. Ireo no tahaka ny al-Qaida tamin’izany andro izany. Mpamono olona mahery vaika tena nahasahy nianiana ho fahavalon’ny Israely. Fa Andriamanitra nefa dia tia ny olona rehetra amin’izao tontolo izao, na dia izay mankahala Azy sy ny olony aza. Ary Andriamanitra dia naniraka an’I Jona hilaza amin’izy ireo ny vaovao mahafalin’ny fahasoavany. Tamin’izany Jona, dia tsy tena nandray tsara izany kitik’Andriamanitra izany.

“Ary tonga tamin’I Jona zanak’I Amitahy ny tenin’I Jehovah nanao hoe: Mitsangàna, mankanesa any Ninive, ilay tanàna lehibe, ary miantsoa ny amin’ny hamelezana azy, fa tafakatra eto anatrehako ny faharatsiany. Nefa jona nitsangana handositra ho any Tarsisy mba hiala eo anatrehan’I Jehovah; ary nidina nankany Jopa izy ka nahita sambo hankany Tarsisy dia nandoa ny karamany ka niondrana taminy hiara-mandeha tamin’ny tao ho any Tarsisy hiala eo anatrehan’I Jehovah”(Jona 1:1-3)

Andriamanitra dia nanondro an’I Ninive ary niteny an’I Jona hoe “Mandehana any. Omeo hafatra ny vahoakan’i Ninive. Fa raha tokony ho malina niandry tsara ny bitika izay nomen’ Andriamanitra azy izy, dia nitsipaka, nandà an’Andriamanitra sy ny asa nampanaoviny azy. Izao no nolazainy an’ Andriamanitra: “Tsisy hevitra, fotoana handehanako hiala sasatra izao. Noho izany, handeha lavitra indrindra izay tratrako aho. Aza manantena ahy.”

Niakatra tanaty sambo fitsangatsanganana mankany Jopa izy dia nandeha tamin’ny lalana mifanohitra amin’izany mihitsy.Teny an-dranomasina Jona dia nahatsapa tahaka ny niala bala. Niteny “tsia” tamin’ Andriamanitra izy, ary naka aina tsara tao anaty sambo. Eritrereto indray, Jona! Tampoka teo, nanomboka nisy kotroka, rivotra mahery sy onjan-drano be natahorana hanimba ilay sambo.

Page 73: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

73    

Tsy ela akory ho an’ny kapiteny sy ny tatsambo no nahafantatra fa misy olona ao anaty sambo ao izay tena arahan’Andriamanitra manokana. Farany, Jona nanangana ny tanany dia niteny hoe “O ry zalahy a! Izaho izany. Izaho ilay tsy nankato. Andriamanitra dia niteny ahy hanao zavatra dia nitsoaka Azy aho.” Fa Jona mpaminany dia nanana planina. “Mety hoe hamono ahy angamba ianareo satria tsy hisy vahaolana mihintsy raha mbola velona aho.” Mpaminany very hevitra izany! Sa tsy izany? Nazava ny resaky ny tantsambo sy Jona fa ny an’Andriamanitra mbola tsy vita:

“Dia nobetain’izy ireo Jona ka natsipiny tany anatin’ny ranomasina, ary dia nitsahatra ny fisafoaky ny ranomasina. Dia natahotra an’I Jehovah indrindra ireo olona ireoka namono zavatra atao fanatitra an’I Jehovah sady nivoady. Ary Jehovah nanomana hazandrano lehibe hitelina an’I Jona. Ary Jona dia tao an-kibon’ilay hazandrano hateloan’andro sy hateloan’alina”

(Jona 1:15-16;2:1)

Tao aorian’ny nanipazany an’I Jona tany ivelany, dia tsy nisy nahalala izay nahazo azy. Nanjavona tanatin’ny onja izy. Telo andro taty aoriana, dia hita taty amoron-dranomasina izy, efa olom-baovao. Ara-batana, dia efa hafa ny fijery azy. Rehefa nanatelina azy ilay hazandrano lehibe, noho ny asidra tao am-bavonin’ilay hazandrano be, dia nihafotsy ilay hodiny matroka iny. Tao an-kibon’ilay hazandrano izy dia very hery be dia be satria tsy nahita zavatra tsara ho hanina tao izy. Rehefa voatsipy teny amin’ny torapasiky ny tanàna lehiben’i Ninive izy, dia nitovy tamin’ireny vorompotsy voakapoka ireny!

Fa nisy zavatra hafa niova koa: ny fon’I Jona. Tao anatin’ireo telo andro ireo nanaiky an’Andrimanitra izy: “Eny ary! Voaraiko ny hafatra.” Vonona Jona ny hankato an’Andriamanitra. Andriamanitra

Page 74: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

74    

dia maharitra sy misisika foana amin’ny olona tahaka an’I Jona, tahaka ahy sy ianao. Dia niteny taminy indray Andriamanitra handehanany any Ninive. Ohatra ny mahare an’I Jona aho miteny hoe: “Eny, Tompoko. Amin’izao fotoana izao aho, dia vonona ny handeha.”

Ninive dia anisan’ny tanàna lehibe indrindra, manan-karena indrindra tamin’izany fotoana izany.Telo andro no nahavitan’olona iray nandeha nitety io tanàna io. Tamin’ny andro voalohany tamin’izany, Jona dia nanomboka niteny ny olona fa afaka efapolo andro ny tanàna sy ny olona rehetra dia haringan’Andriamanitra noho ny faharatsiany. Rehefa tonga tany amin’ny mpanjaka ny hafatra, dia niantso andro fifadian-kanina izy. Na dia ny biby aza dia nampifadiany. Tamin’ny fomba tsy mampino no nankatoavan’izy ireo an’Andriamanitra : 120.000 no olona nibebaka sy ny nitodika tamin’ny Tompo. Rehefa hitan’Andriamanitra fa nibebaka sy niala tamin’ny làlan-dratsiny izy ireo, dia namindra fo Izy. Tsy naringany indray ireo taorian’izany.

Tena zavatra mahafinaritra be izany ! Namaly Andriamanitra: “Tsy hitondra fandringanana ny vahoakan’ny Ninive Aho satria nibebaka izy.” Ny fibebahana no tsy naharingana azy ireo. Saika noravana ny tanàna, fa natoky an’ Andriamanitra izy ireo hamela ny helony sy hanome lalam-baovao. Fahagagana!

Eritrereto ny fihetsem-pon’I Jona. Tao anatin’ny herinandro dia vavolombelon’ny fahagagana roa lehibe izy. Tao an-kibon’ny hazandrano lehibe izy nefa mbola velona indray mba hiresaka momba izany. Ary nitoriteny tamin’ny olona 120.000 izy, dia voavonjy ireo. Mieritreritra angamba ianao hoe Jona dia vonona avy hatrany hanatanteraka iraka hafa indray avy amin’Andriamanitra. Fa hay izy tena tsy nankasitraka ilay fahagagana. Tezitra loatra izy dia nimonomonona:

Page 75: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

75    

“Fa tsy sitrak’i Jona indrindra izany ka nirehitra ny fahatezerany. Dia nivoaka ny tanàna Jona ka nipetraka teo an-tsinanan-tanàna, ary nanao trano rantsan-kazo ho azy teo izy ka nipetraka teo ambanin’ny alokalony ambara-pahitany izay hiafaràn’ny tanàna”

(Jona 4: 1;5)

Jona dia tezitra tamin’ Andriamanitra satria tiany ny vahoakan’ny Ninive hijaly amin’ny firehetan’ny fahatezeran’Andriamanitra toy izay milomano amin’ny fahasoavany lehibe. Tsy dia tia an’ireo olona ireo izy, ary raha tsy tia olona ianao, dia tsy kandida tsara hampiasain’Andriamanitra.

Na izany aza, misy koa nefa olona izay manana ny fomba fijeriny ny amin’ny tantaran’I Jona. Indray mandeha, nisy olona nanontany ahy “Pasitera! Ianao ve tena mino ny bokin’I Jona?”

Namaly aho miaraka amin’ny fanontaniana mazava tsara: “Ampahany inona amin’iny? ” Dia hoy izy: “Ilay ampahany misy hoe hazandrano nitelina azy”

Namaly aho: “Na dia hoy ny Baiboly aza hoe trondro kely no nitelina azy dia nino aho!” Efa ela aho no nanapa-kevitra hino izay rehetra teny lazain’ny Baiboly na dia misy ampahany tsy azoko aza. Ambadik’ izany rehetra izany, Andriamanitra dia lehibe lavitra noho ny fahafahako mahatakatra Azy. Hitany tsara avy any aoriana ka hatrany aloha, fa ny ahy dia anatin’ny minitra ihany no hahitako ny zava-misy. Ampy ny fahalebiazany hanomezany ahy fahasahiana hahatoky Azy na dia tsy hitako avokoa aza, ary tsy hahita mihitsy aho.

Nisisika ilay lehilahy. Nasesiny ihany ny azy: “Pasitera! Ahoana no ahalalanao fa marina izany?”

Nitsiky aho: “Hanontaniako an’I Jona rehefa tonga any an-danitra aho.”

Page 76: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

76    

Nieritreritra kely izy segondra vitsy dia niteny hoe: “Ahoana raha tsy lasa any-danitra I Jona?”

Nojereko tsara tanaty masony izy dia noteneniko: “Ay! Afaka hanontanianao izany izy”

Jona dia nankahala ny Ninivita. Nahatezitra azy ny tsy nandriganan’Andriamanitra azy ireo indray. Azoko sary an-tsaina izy mipetraka ambanin’ny hazony, mimonomonona sy miteny amin’ Andriamanitra: “Andriamanitra! Tsy mampino ahy hoe novonjenao ry zareo.Vahoaka maditra anie reo e!” Amin’ny faran’ny tantara, dia miresaka amin’Andriamanitra Jona ny amin’ny fomba fiasany.

Izany dia tantaran’ny fahasoavan’Andriamanitra amin’ny olona ratsy fanahy, fa tantaran’ny faharetany ihany koa amin’ny mpanompony iray. Jona dia mitovy be amin’ny maro amintsika. Nanana diary ho an’Andriamanitra izy, ary nanantena izy fa Andriamanitra dia hitsambikina hiditra amin’izany fotsiny. Tantara mampalahelo ny amin’ny fangidiana izany, fanoherana, ary tsy finoana, fa afaka mianatra be avy amin’io isika. Afaka dinihintsika ny fotsika hahitantsika ny tsi-fitiavana olona tsy mitovy amintsika. Mety mahatsapa ambony na ambany isika, na samy hafa amin’ny volon-koditra, kolon-tsaina, fiaviana sy fari-piainana. Raha mihevitra hoe ambony isika, dia hankahala ny ambany. Raha mahatsapa fa ambany isika, dia hanana fialonana ka irintsika ny hianjerany avy eo amin’ny toerana izay nametrahantsika azy. Ny olona manana ireo fomba fijery roa ireo dia samy tsy manana ny fon’Andriamanitra ary mahatonga antsika hanao handingana am-pinoana amin’ny kitik’Andriamanitra. Mety mandefa hazandrano be eny Andriamanitra hanova ny lalantsika, fa matetika aza, dia avelany isika hilona tanteraka anatin’ny avonavontsika, sy ny fitserana(mihevi-tena ho fadiranovana mihoatra ny hafa) mandrapahatongan’ny fotoana tsy hahazakantsika izany intsony. Izany dia karazana asidra ihany koa! Dia lasa te hitodika

Page 77: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

77    

amin’Andriamanitra isika mba hanaovany asam-pahasoavana ao am-potsika, avy eo isika hataony fitaovana vonona eo an-tanany.

Ianao ve tahaka an’I Jona? Andriamanitra ve nikitika anao haneho ny fitiavany amin’olona, fa ianao tsy vonona satria ianao mahatsapa ambony ny ambany. Mialà amin’izany! Aoka ny fahasoavan’Andriamanitra hamolavola ny fonao, hampijoro tsara toe-ponao ary hanova ny fijerinao ny olona rehetra eto an-tany. Ajanony ny fihazakazahana any amin’ny lalan-diso. Mijanòna, mitodiha (na farafahakeliny mifohaza rehefa mahita ny tenanao eny amoron-dranomasina tao aorian’ny nandoavan’ny hazandrano lehibe anao), ary matokia an’Andriamanitra hampiasa anao hampifandray ny fony amin’ny olona tiany. Mivonona handray ny asa rehetra ampanaoviny anao, eny ho tia ny olona manana firehana politika isankarazany, ny mainty, ny fotsy, ny mavo na ny zarazara hoditra, ny batista, ny katolika, ary ny protestanta. Tsy misy olona ambonin’ny fahasoavan’Andriamanitra izany. Tsy misy.

MANGATAKA FAHAZOANA ANTOKA

Misy ny olona tsy mandre ny feon’Andriamanitra satria izy miandry foana mba hanomezan’Andriamanitra azy sora-tanana eny amin’ny rindrina, andry rahona mitarika na feo azo henoina mivantana. Matetika dia marina foana ny fandraisako ny fanambaran’Andriamanitra, nefa izaho mbola tsy nahare feo mivantana tamin’ny sofiko izany mihintsy. Misy olona izay tsy te hihetsika mihintsy raha tsy mahita an’I Charlton Heston midina avy any an-tendrombohitra mitondra vato fisaka roa eny an-tanany. Manantena izy hahita roimemy(hazo) mirehitra na jiro mazava be avy any an-danitra. Tsy hamaly izy raha tsy efa mahare feo midoboka

Page 78: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

78    

manao hoe “Eh! Ianao io. Eeeh! Ianao io! Izaho ity! Andriamanitra. Eto ambony eto. Jereo aho. Miresaka aminao Aho.”

Mety tsy hiseho izany.

Andriamanitra dia mifandray amintsika amin’ny fomba maro samihafa. Matetika Izy mampiasa ny fahamarinan’ny Baiboly, dia hampiharina amin’ny fahatsapana (fanairana) izany mba hanomezany antsika tari-dalana manokana. Tsy mahare ny tena teny isika, fa ny hafatra dia matetika mazava. Isaia dia nandray an-tsoratra ny feon’Andriamanitra rehefa nanoratra izy:

“Fa na mivily ho amin’ny ankavanana hianao, na mivily ho amin’ny ankavia; Ny sofinao dia handre teny ao ivihonao manao hoe: Ity no lalana, ka andehano.”(Isaia 30:21)

Taona maro lasa, raha handeha ho any San Diego aho, dia nipetraka teo amin’ny faran’ny LAX aho niandry ny fiaramanidina andehanako. Io faritra manokana fiandrasana io dia teo am-panamboarana ary ny lalan-kaleha dia tery dia tery. Nijery toriteny an-tsoratra tao amin’ny solo-saina aho, raha nisy tanora vehivavy nandalo teo alohako ary nipetraka teo amin’ny seza lavidavitra kely ahy. Tampoka teo, nahatsapa aho fa tian’Andriamanitra hanomboka resaka aminy. Fa hoy aho tamin’ny tenako: “Tsisy hevitra! Tsy hanomboka resaka amin’io vehivavy io aho. Hihevitra izy fa izaho dia hanadala azy.” Ka dia notoheriko ilay eritreritra ary nanohy nijery ny fandaharan’asa tao amin’ny solo-saina aho. Afaka dimy minitra dia nantsoina tao amin’ilay vata fanamafisam-peo ny anarako:” Miangavy anao Mike Robertson hankety aminay.”

Page 79: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

79    

Nankeo amin’ny birao aho ary ilay mpiasa niteny tamiko hoe: “Mike Robertson, ovainay ny toeranao.”

Namaly aho hoe “Marina!”

“Eny, hafindranay miakatra any amin’ny kilasy voalohany ianao”

Dia niahanahana aho: “ Fa … angamba mety misy fahadisoana. Tsy nandoa vola ho amin’izany aho”

Nitsiky izy: “Manamboatra ny vesatra ao anatin’ny fiara manidina izahay. Mila asiana olona kokoa any aloha.” Mety taitra be ny fijery ahy satria hoy izy tamiko “Aza matahotra! Tsy handoa na inona na inona amin’izany ianao.”

Nahatsapa maivana aho “Hay, raha tsy handoavako na inona na inona izany dia handeha any aloha aho.”

Minitra vitsy tao aoriana, dia niditra tao amin’ilay fiara manidina aho. Izaho tena mbola falifaly fa nafindra tany amin’ny kilasy voalohany dia nametraka ny entako tao anatin’ilay vata eo ambony aho, avy eo nipetraka teo amin’ny seza laharana fahaefatra. Iza hoy ianareo no teo akaikiko: ilay vehivavy tanora teo ihany. Saika nihomehy aho no sady nivavaka mangina: “Tompo ô! mivazivazy amiko ianao.”

Dia nihevitra aho hoe satria izahay roa dia samy dian’ny mankany San Diego dia ho anontaniako azy fotsiny ny toeram-pisakafoanana hitany fa tsara indrindra. Mbola nanana sakana ihany aho ny amin’ny hoe hanomboka resaka aminy, ka dia nitohy nivavaka aho tao an-tsaiko: “Tompo ô! Io vehivavy io mety tsy ampy 20 taona akory! Inona no fantany amin’izay toeram-pisakafoanana? Sady amin’izay izy mahia kely tahaka ny tariby. Mino aho fa tsy mihinan-kanina firy izy. Fantatro tahaka ny paosiko San Diego, tsy mila ny heviny akory aho.”

Dia hoy ihany ny Tompo: “Miresaha aminy”

Page 80: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

80    

Nijery tany amin’ilay ankizivavy aho dia niteny taminy hoe: “Eh! Ianao ve mahalala toeram-pisakafoanana tsara any San Diego?”

Dia sariaka be ny endriny sady niteny izy hoe: “Eny! Tena mahalala aho.” Nanomboka nanazava ny toerana fivarotana hamburger tiany indrindra izy.

Nitsiky aho sady nanaiky tamin’ny lohako: “Mahafinaritra izany!” Tsy momba ny toeram-pisakafoanana kintana dimy no azoko, fa hamburger izay azoko antoka fa tsy dia mahaliana an’Andriamanitra.

Taorian’izay dia tsy nijanona niteny intsony izy. Tena tsy mahazo aina mihitsy izy mandeha fiaramanidina hany ka avoakany amin’ny resaka be ny tahotra ao anatiny. Sivy folo kilometatra isan’ora ny hafaingan’ny resany. Manaikinaiky fotsiny ny lohako rehefa miresaka izy, fa tsy afaka niteny na indraim-bava akory aza aho. Dia nanomboka nieritreritra aho hoe, hitako ny fomba hanajanonako an’ity. Ho anontaniako fotsiny izy raha mahafantatra an’I Jesosy na tsia. Izany fanontaniana izany dia mampijanona ny ankamaroan’ny resaka.

Farany rehefa avy niresaka lava be izy, naka aina kely, dia hoy aho: “Tapahako segondra vitsivitsy aloha ianao. Te hanontany anao aho. Mahafantatra ny Tompo ve ianao?”

Nitsiky kely ny tarehiny: “Izaho ve mahafantatra ny Tompo?” Dia lasa indray izy . Nanomboka nitoriteny tamiko izy … toriteny lava be!

Soa ihany! Fa fohy kely ny dia. Mialohan’ny hahatongavanay dia nikitika ahy ny Tompo hanontany zavatra hafa azy. Tsy ampahany amin’ilay resaka nifanaovanay ilay izy, fa iza moa aho no hiady amin Andriamanitra amin’izay asainy ambarako?

Nanontany aho: “Maninona ianao no tsy manaraka ny Tompo ao amin’ny fanompoana intsony?”

Page 81: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

81    

Dia ohatra ny voadona ny fijery azy. Raha jerena ny tarehiny, dia hita fa tsy nandehandeha ho azy iny fanontaniana iny. Nisy fotoana nitolona ny amin’izany izy. Fantany fa izy dia tokony ho any amin’ny fanompoana, fa lalan-kafa no nalehany. Andriamanitra dia nampiasa ahy hiresaka momba ny fanoherany.

Tamin’ny voalohandohan’ny resakay dia niteny tamiko izy fa hifindra any Atsimon’ny Californie. Rehefa nifaraparana ny resakay, dia nanontany azy aho raha nisafidy ny tanana eritreretiny hipetrahana izy. Niteny izy fa hifindra any amoron-tsiraka, ary nanontany izy raha mahalala fiangonana tsara tany aho. Nanorina fiangonana tany aho, ka dia nomeko azy ny adiresy sy ny laharana an-tariby ny fiangonana.

Rehefa niverenako nosainina iny tosika nifanesy iny, tamin’ny voalohany aho dia nanohitra ny kitik’Andriamanitra. Niady tamin’izany aho, nohadihadiako ary niezaka ny tsy hihaino izany. Fa Andriamanitra dia tena naharitra sy nisisika. Tsy niala tamiko izy. Farany, dia azoko ilay izy, dia nanomboka niresaka tsara tamin’ilay tanora zazavavy izay tsy ary mbola hitako hatrizay.

Raha niseho nivantana Andriamanitra tamin’iny andro iny tany amin’ilay toerana fiandrasana ny fiaramanidina, dia mety samy torana teo izahay. Fa Andriamanitra dia nanana planina hafa, olona mpanefa iraka izay hanambara ny hafany: izaho.

Tahaka ny mpianatra tao amin’ny filazantsara: ela fihaino, ela fianatra, ela famaly. Noho izany, dia mivavaka hoan’ny sofim-panahiko aho isanandro mba ho afaka haheno izay lazain’ny Fanahy Masina amin’ny fanahiko, mba hisokatra ny masoko hahita izay efa hitan’ny Fanahy Masina, ary mba hanomezan’Andriamanitra ahy fo mamantatra izay tian’Andriamanitra hataoko. Samihafa mihintsy ny hoe hevitra tsara fotsiny sy ny hevitr’ Andriamanitra. Manana hevitra tsara be dia be aho, noho izany, dia iny foana no eritreretiko. Miteraka fitiavana te hitroatra izay rehetra atao an-tsaina foana, lasa enta-mavesatra ao anaty. Fa ny entana dia samihafa amin’ny antso. Mety

Page 82: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

82    

ho entan-mavesatra ho ahy ny vahoakan’i Somalia, fa izaho tsy nantsoina hitoriteny any Somalia. Any Etazonia no niantsoana ahy hitoriteny. Fa rehefa manome ahy enta-mavesatra Andriamanitra dia hanao izay vitako ihany aho hanampiana ireo vahoaka any Somalia na any an-kafa. Raha ohatra aho mandeha manatanteraka izay rehetra hevitra tsara tonga ao an-tsaiko na henoko, dia tsy ho tonga amin’ny hevitr’ Andriamanitra mihitsy aho amin’ny fiainako. Mangataka an’ Andriamanitra koa aho isan’andro hanome ahy fahasahiana. Anisan’ny zava-dehibe amin’ny kitik’Andriamanitra izany: ny fananana fahasahiana mandingana am-pinoana ary manantanteraka izay zavatra nanentanan’ Andriamanitra ahy hataoko.

Jesosy dia nantsoina hoe “Ilay Teny”. Natiorany ny miresaka (mifandray) amintsika. Ny fanontaniana dia izao: Hihaino sy hankato ve isika? Ny fanekena Azy am-pinoana dia mahatonga antsika hanadrana ireo fifaliana lehibe sy mahafinaritra afaka omen’ny fiainany, ary manafaka antsika tsy ho voagadran’ny olana mandava-taona. Izaho koa nahita fa ny fanahiko dia mora mandray noho ny fandrenesako hafa. Tsy voatery mazava ny dikan’ny fahatsapana, ary amin’ny voalohany dia manontany tena aho raha avy amin’Andriamanitra izany, fa na ho ela na ho haingana nefa dia tsapako fa Andriamanitra no mikitika ahy. Araka ny voalazan’ny Baiboly hoe:“Ny lalina miantso ny lalina.” Mino aho fa ny Fanahy Masina dia miantso ny fanahiko hifototra tsara sy hitarika ahy amin’ny lalana tokony halehako. Ny fiainana kristiana dia tsy lalàna sy fitsipika be fotsiny akory. Eny, mino ny fahamarinana mipetraka ho fototra isika, fa ny fahamarinana momba an’Andriamanitra dia milaza fa afaka manana fifandraisana marina Aminy isika. Ravoravo Izy misintona antsika ho eo Aminy. Misy hevi-dalina mikasika ny ara-panahy nosoratan’I Paoly manao hoe :

“Fa raha Kristy no mitoetra ao anatinareo, na dia maty ihany aza ny tena noho ny ota, dia fiainana kosa ny fanahy noho ny fahamarinana. Ary raha ny Fanahin’Izay

Page 83: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

83    

nanangana an’I Kristy Jesosy tamin’ny maty no hamelona ny tenanareo mety maty amin’ny Fanahiny, Izay mitoetra ao anatinareo….Fa izay tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra no zanak’Andriamanitra.”(Rom 8:10-11,14)

Izaho te hanana ilay karazana fifandraisana akaiky, matanjaka, ary lalina amin’Andriamanitra mba hanekeko ny fitarihany isanandro isanandro.

ZAVA-MIAFIN’NY TSY FAHAZOANA ANTOKA

Ny Baiboly dia misy fampanantenana (teny fikasàna) mahafinaritra momba ny fifandraisana mafy afaka ananantsika amin’Andriamanitra, fa miteny ny marina momba ny hamafisan-dohatsika sy ny hamafin’ny fotsika koa izy. Ny olon’Andriamanitra dia matetika manohitra ny kitik’Andriamanitra. Anisan’ny faharesena tena maharary voatantara ao amin’ny Baiboly izay niseho tamin’ny Zanak’Israely fony izy ireo vao tafiditra ilay Tany Nampanantenaina. Ny fiainana ara-panahy dia tsy mora na tsy mandeha ho azy mihintsy. Mila miady isika isanandro mba hahafantatra sy hahatanteraka ny sitrapon’ Andriamanitra. Tamin’io, ny vahoaka dia leon’ny miady tamin’ny Filistina sy ny firenena hafa. Nijery manodidina izy ary nahita fa ny firenena hafa dia nanana mpanjaka mahery afaka hitarika azy. Ny azy ireo anefa ny nananany dia mpisorona izay miakanjo hafahafa. Tsy azony an-tsaina fa efa nanana Mpanjaka izy ireo: Andriamanitra Izy tenany. Nangataka mpanjaka vaovao izy.

Farany, Andriamanitra nanome azy izay notadiaviny. Saoly, zanak’I Kisy, lava, tsara tarehy ary manan-karena. Izy dia avy

Page 84: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

84    

amin’ny iray amin’ny ankohonana tsara laza indrindra. Tena azo antoka ny mahaizy azy. Nefa tsy nandeha araka izay tokony ho izy ny zavatra rehetra. Andriamanitra dia nanome iraka an’I Saoly handresy an’I Agaga mpanjaka sy ny miaramilany. Dia nitondra ny tafiny tamin’ny fandresena Saoly, fa tsy nahatanteraka ny didin’Andriamanitra hamono an’I Agaga sy handrava ny fananany rehetra. Rehefa nifanatrika taminy Samoela mpaminany, dia nanilika ny hadisoana tamin’ny miaramilany Saoly. Anisan’ny iray tamin’ireo tsy fankatoavana nataon’I Saoly io.Taty aoriana dia niala taminy Andriamanitra, ka nanoro lalana an’I Samoela hahita mpanjaka hafa hanolo azy. Tsy famindra-pahefana moramora no nitranga. Samoela dia nanosotra an’I Davida ho mpanjaka vaovao, fa I Saoly dia mbola teo amin’ny seza fiandrianana ihany. Im-betsaka no saika namono an’I Davida I Saoly, nanenjika azy tany an-tany efitra niaraka tamin’ny miaramilany. Ny tsy fankatoavan’I Saoly dia niteraka alahelo teo amin’ny ankohonany satria Jonatana zanany dia nomba ny fahavalony, Davida. Ny fon’I Saoly dia lasa voapoizin’ny fireharehana (avonavona) , fangidiana ka nogejain’ny devoly izy. Tsy mahafinaritra izany zava-niseho izany.

Saoly dia tsy nanaiky ny kitik’Andriamanitra. (Nefa, mihoatra noho ny fahatsapana izany. Efa toro-lalana tsy mety diso avy amin’ny mpisoron’Andriamanitra) Dia izao izy mandoa ny sarany. Rehefa nanosotra mpanjaka vaovao Andriamanitra, dia tsy vonona ny hanaiky izany planina izany Saoly. Nanafika an’I Davida izy ary nanenjika azy hatrany an’efitra. Fa Andriamanitra dia tsy nanadino ny mpanjakany vaovao. Nitondra lehilahy mahery 600 hiaraka amin’ny Davida Andriamanitra ary hiara-dia aminy. Izy ireo dia lehilahy tsy mendrika, tsy nahay niaina teo amin’ny fiaraha-monina niaviany fa lehilahy kosa nofidin’ Andriamanitra hiady homba an’I Davida. Faly izy nanana azy ireo.

Tamin’ny fotoan-tsarotra teo amin’ny fiainan’I Davida, Andriamanitra dia nampiasa fomba hafakely mba hibitsihany aminy. Tamin’I Davida

Page 85: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

85    

sy ny lehilahy nomba azy nitsoaka ny tafik’i Saoly, dia tsy maintsy nifandray izy ireo tamin’ny fomba rehetra azony natao. Sasany taminy dia nahazo vola noho ny asa fanapahana volon’ondrin’ny lehilahy iray manan-karena antsoina hoe Nabala. Rehefa nila zavatra Davida sy ny lehilahy nomba azy, dia nandefa ny sasany taminy izy mba hangataka fanampiana. Nohazavainy azy ny zavatra nilainy, ary nampahatsiahiviny azy fa tsy mbola nangalatra, naka zavatr’olona izy ireo. Niambina ny olony sy niaro ny fananany izy ireo. Ny tafika kelin’I Davida dia niady ho fiarovana ny tany sy ny biby fiompin’I Nabala, fa Nabala dia nandà tsy hanome azy fanampiana.

Tamin’izany dia nanomboka niharatsy ny tantara. Rehefa nanao tatitra momba ny navalin’I Nabala ny fangatahany ireo lehilahy, dia tezitra I Davida. Noraisiny ny sabany ka nentiny niverina tany an-tranon’I Nabala ny olony. Ilay lehilahy kahihitra dia niharan’ny vokatry ny nataony (nandoa ny saran’ny nataony). Rehefa nanakaiky ny tranon’I Nabala izy, ny vadiny, Abigaila, dia nahare fa ho avy izy ireo. Mba hanakanana ny famalian’I Davida, dia nivoaka izy nitsena azy niaraka tamin’ny entana vatsi-tsakafo, izay tokony nomen’i Nabala ny olon’i Davida tamin’ny voalohany. Taitra Davida, tsara tarehy izy sady hendry, ary nanakana an’I Davida tsy hanao famaliana. Niangavy an’I Davida izy mba tsy hamono ny vadiny, tsy hoe satria Nabala dia manan-kaja, olona tsara, fa satria ny famonoana azy dia hanimba ny lazan’I Davida sy hiantraika amin’ny fomba fitarihany rehefa maka ny fiandrianana izy.

Notarihin’ny kitik’Andriamanitra Abigaila ka nampatsiahy an’I Davida fa izy dia manana lahatra avy amin’Andriamanitra. Tsy afaka hampiasa ny sabany hamely olona adala tahaka an’I Nabala izy. Amin’izany dia hadio tsara ny fieritreretany rehefa lasa mpanjaka izy.

Ny famonoana an’I Nabala noho ny fahatezerana mirehitra dia mety hanenjika ny eritreritreriny mandritra ny fotoana ela dia ela.

Page 86: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

86    

Ny fahasahiana sy ny famindrampo nasehon’i Abigaila dia tsy kitik’Andriamanitra fotsiny teo amin’i Davida. Nanaiky hampijanona ny fanafihana izy satria fantany ny tena niavian’izany fanakanana izany. Hoy izy tamin’I Abigaila: “Andriamanitra dia miresaka amiko amin’ny alalanao”

Afaka nialan’I Abigaila ny fahasahiana nampitandrina an’I Davida talohan’ny nahatongavany sy ny olony hanafika. Afaka navelany hamono ny vadiny izy ireo. Ny anaran’I Nabala rahateo dia midika hoe “adala” ary azo antoka fa iray tamin’izany izy. Ny fomba niatrehany ny olana dia tamin’ny fihainoana ny Tompo, nandresy ny tahotra rehetra manohitra, ary nihetsika am-pahasahiana. Ary Davida dia nihaino azy. Nahalala izy fa Andrimanitra dia nampiasa an-dravehivavy hiteny aminy, ka dia niova ny làlany.

Mahatalanjona ahy ny finoana sy fahasahian’I Abigaila. Ahoana no nandreseny ny tahotra hihaona amin’ilay tsy tan-dalàna antsoina hoe Davida? Saoly mpanjaka dia niezaka hamono azy. Tsy olona nampatahotra ve izy? Ahoana no nahafantatarany ny zavatra mety tokony hatao? Izaho mihevitra hoe tsotra ihany: ny fanahiny dia nahatsapa ny fitarihan’Andriamanitra. Ahoana no nahafantaran-dravehivavy fa ny ezaka ataony dia hahomby? Tsy nahafantatra izy. Ny tena marina, naneho fahasahiana be izy. Nandingana am-pinoana fotsiny izy rehefa nahatsapa ny kitik’Andriamanitra. Azoko antoka fa tsy nahazo aina izy. (Izaho dia tsy mahazo aina foana rehefa mahatsapa ny kitik’Andriamanitra) Nahalala izy fa raha tsy nataon’Andriamanitra nahita fitia teo imason’I Davida izy, dia mety hiharan-doza voalohany. Raha tsy niseho Andriamanitra dia tojo olana be izy.

Tahaka izany no fisehoan’ny kitik’Andriamanitra. Mamaly am-pinoana isika fa tsy ho fantatsika mihitsyizay hitondrany avy eo.

Ny olona sasany dia mamaly tsara ny hafatra entitsika, fa indraindray dia heveriny ho tsy misaina isika na ratsy noho izay. Ny miaina eo

Page 87: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

87    

amin’ny toerana tsy fantatra loatra dia mahafinaritra fa tsy ahazoana aina. Tiako ny fifaliana amin’izany. Fantatro fa mahafaly an’Andriamanitra ny fiezahako mandeha am-pinoana. Hoy ny Baiboly:

“Fa raha tsy amin’ny finoana dia tsy misy azo atao ahazoana sitraka Aminy, fa izay manantona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady mpamaly soa izay mazoto mitady Azy” (Hebreo 11:6)

Tafiditra ao anatin’ny fiainana am-pinoana ny fahasahiana manao zavatra, ary matetitika dia misy sarany izany. Ny olona rehetra izay miara-mandeha amin’Andriamanitra dia miaina amin’ny fifangaroan’ny zava-miafina sy ny fahazoana antoka. Tsy fantatsika mihitsy hoe aiza ary ahoana ny fitondran’ Andriamanitra, fa isika dia tena mahatoky ny fahendreny, ny fitiavany ary ny heriny hanatanterahana ny tanjony.

Aza miandry ny zava-drehetra ilaina ho vonona daholo. Abigaila dia tsy niandry mandrapaha-fantany fa handeha tsara daholo ny zavatra rehetra. Ny zavatra mety nampiahiahy azy dia ny fahafantarany fa ny fiezahany dia mety hampisy korontana raha tsy nino Davida fa avy amin Andriamanitra ny hafatra nentiny. Na izany aza, dia nanao dingana izy, namonjy ny ankohonany, ary niaro ny lazan’ny mpanjakany izay handimby toerana. Mety niady mafy tamin’ny fihetsem-pony izy raha nitarika ireo boriky niakatra ny tendrombohitra hifanatrika amin’I Davida sy ny olony, fa nanao dingana handroso foana izy. Rehefa ny fihetsem-po no manapaka ny fiainantsika, dia miha-malemy ny fahasahiantsika. Fa rehefa apetratsika eo an-tanan’Andriamanitra ny tenantsika ka manaiky am-pinoana isika, dia afaka mandroso foana na dia mikiakiaka miteny antsika mba hijanona aza ny fihetsem-potsika.

Page 88: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

88    

MILA FANAMAFISANA EO NO EO

Indraindray aho rehefa manaiky ny kitik’Andriamanitra, dia miteny zavatra izay tsy mifanaraka amin’ny mitranga amin’ny olona amin’ny io fotoana io. Raha tsy mampihatra izao dia izao izy, dia mila tadidiany izany ho an’ny toe-javatra hoavy. Tian’Andriamanitra ny olona ho vonona hamaly am-pinoana rehefa tonga ny fotoana marina. Jesosy dia niteny tamin’ny mpianany foana fa handeha ho any Jerosalema Izy mba ho tsaraina, hampijaliana, ary hovonoina handoavany ny saran’ny fahotan’ny olombelona. Tiany mba ho vonona izy ireo rehefa miseho izany.

Taona maro no nitenenako tamin’ny olona teny avy amin’Andriamanitra izay tsy azo nampiharina teo no eo. Nahatsapa aho fa Andriamanitra dia te hampitandrina azy, hampahery azy ary hanomboka hanangona zavatra ilaina ho amin’ny ho avy. Indraindray ny olona mijery ahy tahaka ireny very saina ireny. Mety miteny azy aho hoe tian’Andriamanitra hanambady izy, mandeha amin’ny asa fanompoana, manomboka fandraharàna, na zavatra hafa. Misy amin’ireo olona ireo izay efa nisaintsaina izany, fa ny sasany dia tsy mbola nieritreritra izany akory na dia iray segondra aza. Rehefa manome teny ho azy aho ka tsy misy dikany aminy izany, dia tsy mahazo aina aho, fa izaho anefa mpitondra ny hafatra fotsiny. Miankina amin’Andriamanitra ny hanome azy finoana hanaiky izay kitik’Andriamanitra izay.

FIERITRERETANA MANAMELO-TENA

Page 89: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

89    

Anisan’ny zavatra lehibe indrindra mahatonga sakana dia, ny fahatsapana matetika heloka tsy voavela. Efa ela ny naha-mpitandrina ahy, dia mahita aho fa betsaka ny olona no mamely ny tenany isanandro. Rehefa tsy mety kely ny ataony dia miantso ny tenany amin’izao anaran-dratsy rehetra zao izy. Mahatsapa izy fa tsy mendrika ny famelan-keloka sy ny fitiavan’Andriamanitra, ka dia miala amin’Andriamanitra izy na manao hetsika manasazy ny tenany mifandanja amin’ny fahotana nataony, ny fanamelohan-tena dia mitsatoka amin’ny fanahiny. Mampiasa ny fieritreretantsika Andriamanitra mba hanala antsika lavitra ny fahotana ary hitodika Aminy. Tsy ny handroaka antsika mihitsy no tanjony. Rehefa mampiaiky antsika ny fahotana Izy, dia te hampatsiahy antsika ny famelan-keloka mahafinaritra, ny fitiavany ary ny fandraisany. Jesosy no nitondra ny sazy mendrika antsika mba hahafahantsika mandray ny fitiavany sy ny fahalemem-panahiny. Tsy tokony hanasazy ny tenatsika intsony isika.

Asako ny ho solom-bavan’ny famindrampo, hanampy ny olona hino ny tenany indray ary mampahery azy hino an’Andriamanitra indray. Andriamanitra dia mihoatra noho ny vonona hanala ny fahotany. Izaho dia tsy polisin’ny (mpanara-maso) fahotana. Tsy tahaka ny mpaminany tao amin’ny Testamenta Taloha izay nirahina hiteny olona ny zavatra diso rehetra ataony aho. Tsy izany ny asako. Ny asan’ny Fanahy Masina dia mampiaiky olona ny fahotany, ka rehefa mibebaka izy, dia mampahatsiahy azy ny famelan-keloka indray Izy. Rehefa miresaka amin’ny olona aho dia tsy mifantoka amin’ny fianam-pahotany, fa mifantoka amin’ny zavatra tokony ho hitany amin’ny fiainany, zava-dehibe izay efa hiseho.

FISALASALAN’NY TENA

Page 90: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

90    

Taona vitsy lasa, dia nampianatra tany amin’ny fiangonana eo an-dalam-pitomboana any Steamboat Springs, Colorado aho. Nanomana toriteny aho, nefa raha vao niditra tao amin’ny fivoriana aho, dia nanomboka nanome ahy zavatra miseho amin’ny fiainan’olona Andriamanitra. Ny mahazatra, rehefa anaty fivoriana aho dia mifantoka foana amin’ny lafiny tsara momba ny fiainana. Tsy mipetraka ela amin’ny resaka mandrangitra fahotana aho na manameloka olona. Tsy asako ny miantso ny olona sy manao izay mampahamenatra azy. Rehefa mikitika ahy Andriamanitra anatin’ny fivoriam-piderana, dia ampahafantariko ny olona foana “Aza matahotra, na inona miseho, manàna finoana fa mety hanan-ko lazaina aminao Andriamanitra androany. Aza matahotra hoe hiresaka izay zavatra tsy mety amin’ny fiainanao aho”

Rehefa tonga ny fotoana hitenenako ao anatin’ny fivoriana, atokako ny toriteny, dia manome teny fampaherezana avy any an-danitra ny olona rehetra aho. Rehefa mandeha aho, amin’iny fotoana iny dia manana fisainana faharoa. Manontany tena aho indraindray raha nifanaraka tamin’ny toriteny nomaniko ny kitik’Andriamanitra nozaraiko tamin’ny olona. Manomboka manelingelina ahy ny fanamelohan-tena sy ny fisalasalana.

Taona vitsivitsy taty aoriana, nihazakazaka nanatona mpitandrina iray sy ny mpiara-miasa taminy aho tao anatin’ny fivorian-dehibe iray. Dia noteneniko izy hoe: “Sao dia tsy nety ny hafatra nentiko tamin’ny fiangonanao fa toa tsy nanasa ahy hiverina hitoriteny intsony ianao.”

Gaga izy mijery ahy dia mandresy lahatra ahy: “tsia ka, tena mifanohitra amin’izany.”

Nitodika izy dia nampahafantatra ahy vehivavy iray. Hoy ilay vehivavy tamiko, niteny tamin’ny vadiko ianao tamin’iny fotoana iny hoe:“Tokony hiasa ho an’Andriamanitra ianao.” Ireo teny vitsy ireo dia nampiova ny fiainany. An-taonany maro izy no nitazatazana

Page 91: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

91    

fotsiny. Nanaraka an’Andriamanitra izy fa tsy tena akaiky, fa izao izy dia manao asa fanompoan’ny loholona ao am-piangonana.

Rehefa tsy azonao antoka fa tonga tany amin’ny tanjona noeritreretinao ny kitik’Andriamanitra, dia aza mikoropaka ary aza manameloka ny tenanao. Aoka hahatoky sy ho mpakato an’ Andriamanitra ianao, dia apetraho amin’ny ny vokany. Tena fantatro tsara mihitsy fa izaho dia fitaovana tsy mahavita na inona na inona, na araka ny lazain’I Paoly hoe:“vilany tany”! Isaky ny avy milaza teny izay nomen’ Andriamanitra ho an’olona iray aho, dia matetika mivavaka toy izao:

“Tompo ô! Izay avy amin’ny Fanahy Masinao, aoka izany ho hambinina. Izay tsy avy amin’ny Fanahy Masinao fa hevitra tsara fotsiny ihany izay tao amin’ny fanahiko, miangavy aho aza avela ho hambinina izany zavatra izany. Ary aza avela hisy zavatra avy amin’ny nofoko hambinina. Aza avela hahita fakany izany voa izany fa aoka ho adinon’ny olona fotsiny”

AWOL Saints

Indraindray aho mahazo kitik’Andriamanitra ho an’olona mandritra ny fivoriana, nefa lasa mivoaka izy. Saika matetika koa aho miandry ao aorian’ny hafatra, mba hizara izany teny izany amin’ny olona, kanefa indraindray ny olona dia variana fotsiny: ny vatany no eo fa ny sainy tsy eo intsony. Rehefa mitranga izany, dia manontany tena aho: tena kitik’Andriamanitra ve ilay teo. Angamba diso aho ary Andriamanitra te hiaro azy amin’ny fanambarana diso ataoko, na mety antony tsy madio no manosika ahy hiteny zavatra tsy tokony hoteneniko. Mety miseho izany. Tena maniry mafy mba hitahian’ Andriamanitra ny olona aho, fa indraindray aho anefa dia mandeha alohan’ Andriamanitra. Tokony hitandrina ny amin’izany aho. Amin’ny ankamaroan’ny fotoana, na izany aza, dia sahy aho rehefa mitondra teny avy amin’ny Tompo. Efa nanao fampiharana be dia be

Page 92: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

92    

aho, ary Andriamanitra dia nanome ahy fanahy malina hahatsikaritra ny toe-poko manao izany. Fa mety misy antony hafa mahatonga ny olona nandeha nivoaka ny trano rehefa tonga ny fotoana hizarako ny bitsik’Andriamanitra. Ilay olona mety nahatsapa fa ny Fanahy dia manan-kolazaina, fa tsy te hihaino izany izy. Ny olona dia afaka mandà ny kitik’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fivoahany anaty fivoriana. Rehefa mahita olona mivoaka aho dia miezaka miangavy ny mpandray(accueil) olona mba handeha hitady ilay olona. Indraindray hitany, indraindray tsia. Anisan’ny tsara indrindra miseho rehefa manana fahasahiana ny olona ka miverina miresaka amiko. Ilay dingana fandehanana sy fiverenana dia mampalemy ny fony ka mahatonga azy ho voavolavola eo an-tanan’Andriamanitra. Mahafinaritra ny mahita izany. Ao amin’ny fiangonanay ny olona dia nianatra hanantena an’ Andriamanitra hanome teny be dia be azy. Mety tsy zatra izy tamin’ny voalohany fa tsy amin’izao intsony. Betsaka ny olona izay tonga miaraka amin’ny fo feno fanantenana. Mivavaka toy izao izy “Andriamanitra ô! hiteny amiko ve ianao androany.” “Tompo ô! Te hanao zavatra amin’ny alalako ve ianao androany?” Ny olona iray mino an’Andriamanitra dia efa tsara, fa ny vondron’olona mitambatra kosa dia mahery vaika. Hoy Jesosy “Fa na aiza na aiza no hiangonan’ny roan a telo amin’ny Anarako dia eo afovoany aho.” (Matio 18:20) Ny olona manantena, mahatoky, mampahery dia tany mamokatra ho an’Andriamanitra hamokarany fitomboana tsy takatry ny saina. Izy dia kitay eo amin’ny afo vonona ny hirehitra. Tiako ny miaraka amin’ny olona tahaka izany. Ny fahagagana dia mitranga rehefa miaraka isika ho vondron’olona feno finoana daholo. Izay no toerana tena maharavoravo an’Andriamanitra hitenenany amintsika. TAHOTRA SY FINOANA Misy olona mino fa tonga tsy misy fanahiana na tahotra ny teny avy amin’Andriamanitra. Mifanohitra amin’izany. Raha ohatra ka hampiasa anao Andriamanitra, dia tadidio fa ny tahotra sy ny finoana dia miaraka eny foana. Ny tahotra dia tahaka ilay jiro kely mirehitra anaty fiara: mahatonga antsika hitandrina izany. Voajanahary ny tahotra. Ny mpandinika dia milaza fa ny ankamaroan’ny lozam-pifamoivozana dia miseho eny akaikin’ny tranony ihany fa tsy any

Page 93: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

93    

lavitra. Fa nahoana? Efa zatra loatra ny manodidina antsika isika matetika ka tsy mitandrina intsony. Rehefa amin’ny tanàna tsy dia fantatro aho dia malina kokoa ka mitandrina tsara ny takela-by eny an-dalana. Izany fitsipika izany ihany no mihatra rehefa mandingana am-pinoana isika. Tsy eo amin’ny toerana ahazoantsika aina isika ka tonga ho azy ny tahotra. Nisy fotoana, filoha lefitry ny Advancement for Southwestern Assemblies of God University tany Waxahachie, Texas aho. Nanana fotoam-pivoriana efa mandeha tsara izahay tao amin’io oniversite io. Indray atoandro ilay filohan’ilay toeram-pianarana dia nijanona niserana teo amin’ny biraoko, nanontany raha afaka mitory ao amin’ny chapel aho ny ampitson’iny. Noteneniko izy fa raha manana fotoana miaraka amin’ny Tompo aho androany tolakandro manontolo, dia faly aho hampianatra ny ampitso. Nody tany an-trano aho mba hitokana, dia nanontany ny Tompo izay tiany holazaiko amin’ireo tanora ireo. Rehefa nivavaka aho, dia nisy zava-niseho tsy nahazatra ahy. Nahita tanora zazavavy tamin’ny fahitana aho. Fantatro izany fa ho avy ao izy ny ampitso. Hitako nazava tsara ny tarehiny, dia toy izany koa ny akanjo ambony nanaovany. Ny anarana tonga tan-tsaiko dia Brittney. Ny maraina an’iny dia mpianatra anarivony no tonga tao amin’ilay toerana. Nitory ny hafatra aho fa talohan’ny namaranako, dia hoy aho, izay rehetra manana anarana Brittney dia tiako handroso ety aloha amin’ny famaranana ny fivoriana. Fantatro hoe hafahafa be izany. Tsy mbola nilaza zavatra tahaka izany aho hatrizay. Nohazavaiko: “Raha Brittney ny anaranao dia mankanesa ety aloha. Niteny tamiko ny Tompo hanampy ny iray aminareo.” Rehefa nifarana ny fivoriana, dia noravana ny vahoaka, tsy ela dia nisy tanora zazavavy dimy ambinifolo nankeo aloha. Nojereko tsara daholo ny tsirairay tamin’izy ireo, fa tsy nisy taminy nifanaraka tamin’ilay fahitana izay hitako ny andro talohan’io. Nanomboka nipetraka tao amiko ny tahotra mbola tsy nisy tahaka izany teo aloha. Nivavaka aho: “Tompo ô! Tsy misy mitovy aminy ireto zazavavy ireto. Inona izany no ataoko?” Nanomboka nandeha teo amin’ny laharany aho dia niteny tamin’ireo vehivavy ireo: “Azafady fa tsy ianao ilay izy. Tsia, tsy ianao. Misaotra anao nanketo, fa tsy ianao ilay izy.” Tena nahazo antoka aho, satria ilay ankizy vavy tao amin’ny

Page 94: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

94    

fahitana dia mainty volon-koditra, fa ny ankamaroan’ireto ankizivavy ireto dia fotsy hoditra. Tonga teo amin’ny faran’ilay laharan’ny Brittney aho sady kivy be. Tamin’izay fotoana izay, ilay ankizivavy hitako tao amin’ny fahitana, ilay tarehy mihitsy, ilay akanjo mihitsy dia nandroso handeha hiresaka kely tamin’ny namany teo antsoina hoe Brittney. Vao hitako izy dia hoy ny Tompo tamiko “Omeo 500 $ izy hanampiany ny fianarany.” Nankeo aminy aho dia nanontany azy hoe “Brittney ve ny anaranao?” Namaly izy hoe “Tsia.” Farany dia nanadihady lalina aho. Ny anarana sy ny tarehy dia piozla anankiroa samihafa. Nanontany aho “Ary….namanao ve izy ry Brittney?” “Eny” no navaliny, fa liana be ny amin’ity resaka ity izy. Nametra-panontaniana vitsy aho, dia niteny ahy izy fa avy amin’ny firenen-kafa hianatra mba ho lasa mpitandrina ny tanora. Tiany be mihintsy ny zavatra ianarany saingy nanana olana izy, tsy ampy ny saram-pianarany. Raha tsy nahita vola izy tao antin’ny andro vitsy dia tsy maintsy handeha hody. Noteneniko izy fa ny Tompo dia nangataka ahy hanome 500 $. Gaga tanteraka izy. Izaho ihany koa. Noho ny kitik’Andriamanitra dia voahazona tao an-tsekoly izy ary afaka nianatra nanomana ho amin’ny fanompoana mahomby mandritra ny fotoam-pahavelomany. Ny tahotra dia tsy marika hihemorana, fa marika izany fa tokony handroso ary hampihatra finoana. Ny tahotra sy ny fihetsem-po ‘negatif’ dia matetika mampitodika any aoriana rehefa tafiditra ao amin’ny asan’Andriamanitra isika. Raha miandry izany hiala isika, dia asan’Andriamanitra tsy tambo isaina no ho very fotsiny. Tokony ho fantatsika ny tahotra ao anatitsika, ka mila manavatsava izany sady manankina ny toky tanteraka amin’Andriamanitra. Raha jerena tsara, ny tantara lehibe rehetra ao anaty Baiboly dia momba ny fandresena ny karazana tahotra avokoa. Rehefa mampahafantatra ny lanitra isika fa kandida ho ampiasain’Andriamanitra, dia tokony hivonona hiatrika zavatra tsy mahazatra hiseho amintsika. Vonona ve ianao handroso amin’ny zavatra izay ivelan’ny ara-dalàna(mahazatra ny olombelona)? Ny finoana sy ny tahotra dia mifampitantana. MIAINA AMIN’NY AMORONY

Page 95: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

95    

Nisy tee-shirt hitako efa an-taonany maro lasa misy soratra hoe: “Raha tsy mipetraka eo amorony ianao dia mibahana toerana be loatra.” Tsy mamporisika anao ho sahisahy foana aho. Fahadalana izany. Fa ny miaraka amin’Andriamanitra mpanao zava-mahagaga, tsy manam-pahataperana dia hahitana tantara foana. Ampahan’ny fiainana be dia be nampanantenain’I Kristy izay olona mahafantatra sy manaraka Azy izany. Tian’Andrimanitra isika hitondra “fo onena, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, ary faharetana” (Kol 3:12) fa indraindray koa, tiany isika ho sahy tahaka ny liona. Taona maro lasa, taoriana kelin’ny nitokiako an’I Kristy ho mpamonjiko,tonga aloha tao am-piangonana aho ary efa naka toerana. Mpitondra ‘bus’ no asako tamin’izany ary niandraikitra mpitondra ‘bus’ vitsisvitsy teo ambany fahefako aho, tsy niasa aho tamin’io herinandro io. Iray tamin’ireo mpitondra fiara fitaterana nanatona ahy sady niangavy hoe: “Ny zanaky ny iray tam-po amikovao tonga androany. Tsy mahafantatra an’iza n’iza izy eto. Tsy mampaninona anao ve ny ho namany sy hiara-mipetraka aminy eto? Tsy afaka miaraka aminy aho fa tsy maintsy mandeha miasa.” Mazava ho azy, tena faly aho hanampy, ka dia nampahafantariny ny zanaky ny iray tam-po aminy aho, dia nipetraka akaikin’ny dabilio farany izahay tao anatin’ny fivoriana. Nisy tanora maromaro nipetraka tao aorianay. Be resaka be izy ireo no sady manakorontana be, ary dia tena nahasosotra dia nahasosotra ahy tokoa. Tsy nahalala aho raha efa nateraka indray ilay tanora zazavavy niaraka tamiko, ary tsy azoko antoka akory hoe liana ny amin’Andriamanitra ve izy. Ireo ankizy tao aorianay dia nahatonga olana be satria tsy afaka nankafy ny hira sy ny hafatry ny mpitandrina izahay. Nanomboka tezitra aho, tsy noho ilay fanakorontanana nahazo ahy, fa satria ireo ankizy ireo dia nanelingelina ilay zazavavy tsy handre an’Andriamanitra. Tsy hitako izay fomba hihatrehana ilay olana, fa Andriamanitra nanome ahy teny mazava be. Ny Tompo nanome ahy ity teny ity hozaraina amin’izy ireo “Raha ity tanora zazavavy akaikiko ity no tsy manolotra ny fony ho an’I Jesosy Kristy, dia ho eo an-tsorokareo ny ràny.” Tsy te hilaza izany teny mafy izany tamin’ireo ankizy aho. Natahotra aho sao hihomezany, na ratsy kokoa noho izany, ka ilay zanaky iray tam-po amin’ny namako hihevitra hoe adala aho. Mba tsy hanaovana tantara

Page 96: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

96    

be, dia nosoratako tamin’ny taratasy kely tao anaty Baiboliko izany. Rehefa ho tapitra ny fivoriana dia nitodika aho dia nomeko ireo tanora ireo ilay taratasy kely dia nandroso nankany amin’ny alitara aho. Hoy aho tamin’ilay tanora zazavavy hoe handeha ho eny aloha aho hivavaka. Nandohalika aho dia nangataka ny Tompo hiasa mahery ao am-pon’ireo ankizy mpanakorontana ireo. Angamba mety nivavaka koa aho mba tsy haninona ahy izy ireo ao aorian’ny fivoriana. Nangataka an’Andriamanitra ihany koa aho hiasa ao am-pon’ilay tanora zazavavy. Tao aorian’ny fivoriana dia nody daholo ny rehetra. Kivikivy aho noho ilay korontana nataon’ireo tanora. Lasa ny herintaona, adinoko ny andro izay nipetrahako teo alohan’ireo tanora tsy voafehy ireo. Indray andro rehefa nandalo oniversite fianarana Baiboly iray aho, dia nisy tanora zazavavy nanatona ahy. Nanontany izy “Tadidinao ve aho?” tahaka ny niteny izy hoe tsy tadidinao aho dia notohizany “Izaho ilay zazavavy niara-nipetraka taminao tao am-piangonana tamin’ny herintaona.” “Eny, marina izany” Tsikaritro “Eny. Tadidiko ianao. Manao ahoana ianao?” Feno fifaliana izy dia nanazava hoe “Vao avy nisoratra anarana tato amin’ny Sekoly Biblika aho izao.” Nanontany aho “Tsara izany…. ka efa nanolotra ny fonao ho an’ny Tompo izany ianao?” “Eny” hoy izy “Te hiteny taminao aho fa tena nahita fanoloran-tena tamin’ny fiainanao aho iny andro iny, ka dia nomeko an’I Jesosy Kristy koa ny foko.” Misy fomba be dia be hanoherantsika ny kitik’Andriamanitra. Ny fandavana ny fomba fijerinao sy ny tahotra dia tsy manampy antsika handresy izany sy handeha am-pinoana. Fa, tokony ho tsotra isika momba ny fanoherantsika, miresaka izany amin’Andriamanitra, ary matoky Azy mba hanome antsika fahasahiana hamaly am-pinoana. Andriamanitra dia mitady iraka mpanova. Anisan’ny tena anjara asa misy fanamby be sy mahafaly izay ataotsika izany. Aza mamela ny tahotra, fanamelohan-tena, ary tsy fahazoan-kevitra hihazona anao eny amin’ny sisiny. Eritrereto kely izany….

Page 97: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

97    

1. Ahoana no mahatonga ny fireharehana, fahamboniana, na fahambaniana manapoizina ny fotsika ary manakana antsika tsy haheno ny feo fitiavan’Andriamanitra?

2. Tsy te hanao adalana na fahasahisahiana foana isika, tokony hamaly ny kitik’Andriamanitra am-pinoana koa nefa isika indraindray na dia tsy fantatsika aza ny lalana. Izany no mihazona antsika eny amin’ny sisiny. Ahoana no fahazoanao izany?

3. Ahoana no ahafahantsika mandresy ny tahotsika voajanahary rehefa mandre ny kitik’Andriamanitra isika?

4. Ahoana no fomba isehoan’izany fanamelohan-tena ao amintsika izany?

5. Raha misy omenao toerana ireo fanoherana ireo, inona avy no dingana am-pinoana tokony ho raisinao?

Page 98: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

98    

FIZARANA FAHAENINA

NY MPAKA RISIKA Ny kitik’Andriamanitra dia mitaky antsika hiatrika risika( foana. Tiako ny zavaboahary, ary raha mandinika ny biby aho dia izao no zavatra voatsikaritro nefa misy dikany be: tsy mandeha mandroso ny sokatra raha tsy efa mamoaka ny hatony. Tahaka izany ihany koa, raha tsy efa vonona ny hihetsika hamaly ny bitsik’Andriamanitra isika, dia tsy handroso mihitsy. Izaho sy Karen dia olona mpanao risika foana. Anisan’ny fiainanay izany. Ny fanapahan-kevitray hivady, izay fantatry ny olona rehetra manambady, dia nanaovana risika. (Ho azy indrindra indrindra noho izaho, fa izay dia tantara hafa) Raha toa ianao ka mpampiasa vola ao amin’ny varotra, dia manao risika ianao izay. Raha mitondra fiara ianao, indrindra fa any Atsimon’ny Calofornia, dia mitondra ny fiainanao eo an-tananao ianao. Eny fa ny fahatongavana ho kristiana aza dia risika satria tsy fantatrao izay hitondran’ Andriamanitra ny fiainanao. Rehefa nanome ny ampahofolon-karenanao voalohany ho an’ Andriamanitra ianao dia manao risika ianao. Isanandro dia manao risika isika amin’ny lafim-piainantsika rehetra, nefa tokony ho hendry isika amin’ny fanaovantsika risika. NY ANTSON’I ABRAHAMA

Ny Genesisy dia mitantara fiainan’ny lehilahy iray izay tsy fantatr’olona. Tera no anarany. Raha tsy tena tia mamakafaka ny firazanan’ny olona ao amin’ny Baiboly ianao, dia mety hanahirana kely ihany ny famakiana ny Genesisy 11. Mahita anarana mifanesy isika sy fiterahana mifanesy. Misy olona anatin’ny lisitra izay mbola tsy novakiantsika mihitsy teo aloha, ary tsy ho henotsika intsony indray, fa any amin’ny faraparan’ilay toko dia izao no vakiny:

“Ary Tera nitondra an’I Abrama zanany sy Lota zafiny, zanak’I Harana ary Saray vinanto-vavy, vadin’I Abrama zanany dia niaraka taminy ireo ka niala tao Oran’ny Kaldeana hankany amin’ny tany Kanana, dia tonga tao Harana izy ka nonina tao.”(GEN 11:31)

Page 99: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

99    

Tera dia nahazo antso handeha any Kanana, fa nijanona tao Harana izy. Tsy fantatsika fa maninona izy no nijanona talohan’ny nahatongavany tany amin’ny toerana nasain’ Andriamanitra halehany. Mety reraka izy. Tsy afaka nanohy ny diany fotsiny izy. Fa Tera dia tsy nankany Kanana. Mety nahatsapa izy fa tsara ho azy (hahazoany aina, nampiadana azy) kokoa ny tao Harana. Mety nahare izy fa be ngezalahy any amin’ny tany Kanana. Izay no tatitra fantatra taona maro taty aoriana. Tera dia nivavaka tamin’ny andriamanitra volana, ka mety nahita mpivavaka hafa tamin’ny volana izy tany Harana, dia tiany kokoa tany. Afaka mametra-panontaniana maro isika, fa ny Baiboly dia tsy mampahafantatra ny safidin’I Tera. Kanefa, zavatra iray no azo antoka: nofaranan’I Tera ny diany raha ampitahaina amin’izay tian’Andriamanitra halehany. Nijanona tamin’ny zavatra kely noho izay tian’ Andriamanitra homena azy izy. Tsy te hanao risika ny ainy sy hanaraka tanteraka ny fitarihan’Andriamanitra izy. Aman-taonany, no nipetrahan’ny ankohonan’I Tera tany Harana, fa rehefa maty izy dia nandray bitsika hafa tamin’Andriamanitra Abrama (nantsoina Abrahama taty aoriana):

“Mandehana miala amin’ny taninao sy ny havanao ary ny tranon’ny rainao hankany amin’ny tany izay hasehoko anao, dia hahatonga anao ho firenena lehibe Aho, sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao, ary ho fitahiana tokoa ianao” (Genesisy 12:1)

Fony nonina tany Oran’ny Kaldeana I Abrahama, dia azo lazaina hoe olona nanana ny mahaizy azy, nanana fari-piainana tsara. Araka ny fikarohana nataon’ireo arkeôlôgy dia hita fa tanàna efa nanana fandrosoana be io tanàna nonenan’I Abrahama taloha io. Tsy mbola fahita tamin’izany ny trano misy rihana roa nefa tao an-tanàna dia efa nisy izany. Tao amin’io fiaraha-monina manan-karena sy kolotsaina mandroso io no nandrenesan’I Abrahama ny feon’Andriamanitra : “Mitsangàna, ilaozy ny havanao, dia mandehana.” Tera rainy dia nandray io teny io tamin’Andriamanitra, fa nijanona tao Harana izy. Raha tanterak’i Tera ny dia (làlana) dia mety ho voalisitra ho isan’ny patriarkan’ny finoana izy. Raha toa ka tokony hoe: “Andriamanitr’i Abrahama sy Isaka ary

Page 100: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

100    

Jakoba” dia mety namaky isika hoe “Andriamanitr’I Tera, Abrahama, Isaka ary Jakoba.” Tsy ho fantatsika mihitsy izay nahatonga an’I Tera nijanona, ny hany fantatsika dia Abrahama namaly ny antson’Andriamanitra ka nankany Kanana. Ao amin’ny lisitr’ireo olo-malazan’ny finoana ao amin’ny Hebreo, dia izao no hitatsika:“Abrahama dia nahare ny Tompo, ary dia tsy nampiasa ny sainy ny amin’ny izay ho alehany izy” (Heb 11:8 dikan-teny Amplified Bible). Fa naninona izy no nihetsika ary nandingana am-pinoana? Satria izy nandre avy amin’Andrimanitra ary vonona ny hanao risika hankato Azy. Ny antson’ Andriamanitra dia misy fakàna risika foana. Rehefa mahatsapa ny antson’Andrimanitra isika, dia mety mahatsapa fanosehan’ny tahotra, nefa mampientanentana ihany koa . Rehefa manaiky am-pinoana isika, dia manome antsika hery ampy Izy handaozantsika ny filaminana(confort) amin’izao ankehitriny izao ho amin’ny ho avy izay tsy mbola fantatra mazava. Rehefa mandingana isika dia mandao ny filaminantsika ary miampita mankany amin’ny zavatra izay inoantsika . Indraindray nefa, dia tsy azotsika mazava tsara ny bitsik’Andriamanitra. Mihevitra an’I Abrahama isika ho isan’ny tena lehibe indrindra amin’ny finoana, satria tsy mbola voarainy mazava tanteraka izany fony izy namaly an’ Andrimanitra. Raha jerenao akaiky ny tantara ao amin’ny Genesisy, dia ho hitanao fa nasaina nandao ny havany izy, fa tsy nataony izany. Nalainy niaraka taminy I Lota rehefa nandao an’I Harana izy. Ny Tompo dia niteny tamin’I Abrahama handao ny havany. Indraindray isika dia lasa manana olana satria te hitondra ny olon-drehetra miaraka amintsika. Rehefa nanomboka ny asa fanompoana aho, ary nahita ny fitahian’ny Tompo dia nieritreritra ny fiarahako tamin’ireo rahalahy namana taloha, mbola te hanao fikasana miaraka manao zavatra hoan’ny Tompo. Nanomboka tamin’izay, no nahafantarako fa betsaka amin’ireo namanay fony fahazaza no tsy afaka miaraka aminay intsony. Afaka asaina izy ireo, fa raha misafidy ny tsy handeha izy, dia tsy tokony hitaredretra miaraka aminy isika ka tsy hahita ny tantara mahafinaritra nomanin’ Andrimanitra ho antsika. Abrahama nitondra an’I Lota, fahadisoana lehibe iny. Tsy ela dia lasa tsilo teo amin’I Abrahama I Lota. Raha manohy mamaky ny tantara ao amin’ny Genesisy ianao, dia tsy nitsahatra namonjy an’I Lota I

Page 101: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

101    

Abrahama tamin’ny voina nahazo azy. Rehefa tonga teo amin’ny tsy fifankazahoana mafimafy izy ireo, dia nanontanian’I Abrahama I Lota hoe inona no tany tiany, dia mazava ho azy fa ilay tsara indrindra no nofidiany. Taty aoriana, I Abrahama dia tsy maintsy nanavotra azy indray tamin’ny faharatsiana niparitaka tao Sodoma sy Gomora. Ny fiverimberenana sy fahabetsahan’ny olana nisy tamin’I Abrahama sy Lota dia afaka nosorohana raha nihaino tsara an’Andriamanitra I Abrahama. Ny fahotan’I Abrahama nanao tsara fanahy dia novidiny lafo. Enga anie Andrimanitra hanafaka antsika amin’ny fahotan’ny “fahatsaram-panahy”tsy anaty baikon’Andriamanitra. Kanefa, ny anton’ny fiainany dia ny hanaraka an’Andriamanitra hatrany, hanaiky ny antson’Andriamanitra ary hatoky Azy hamatsy. KARAZANA MPAKA RISIKA Vonona ve ianao haka risika ho an’Andrimanitra? Ny finoana hanaovana risika dia sady tsy mora no tsy misy azo ifaharana eo no ho eo. Mametraka fanamby ny aintsika izany. Raha mora izany, dia ny olona rehetra no nanao izany. Raha mampatahotra izany, dia manokatra varavarana ho an’ny fahagagana isika. Tsy misy tahaka ny mandingana am-pinoana, matoky an’Andrimanitra hanao izay zavatratiany hatao. Rehefa tsapanao ny fifaliana mahita an’Andrimanitra miasa amin’ny fomba tsy takatry ny saina tahaka izany, dia tsy te hiverina amin’ny fiainana mahazatra intsony ianao. Ny halehiben’ny risika alaina no mamaritra ny halehiben’ny valim-pitianao. Ny olona samy hafa, noho izany, dia manana fomba fijery sy fihetsika samy hafa manoloana ny risika. Andao, hijery karazana olona telo ao anatin’izany:

1. MPANDEVINA

Misy olona izay miaina ny amin’ny lasa. Ny folo isan-jatontsika dia mifantoka amin’ny “andro tsara taloha”. Kanefa, rehefa ny fahatsiarovantsika no lasa lehibe noho ny nofinofitsika dia manana olana isika. Ny fahatsiarovana dia mety manampy satria mampahatsiaro antsika ny nataon’Andrimanitra ireny. Amin’ny finoana feno fahendrena, ny fahatsiarovana dia afaka manentana antsika hatoky Azy bebe kokoa amin’izao. Fa misy olona izay tsy

Page 102: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

102    

manao izany fifandraisana izany. Miaina ny taloha izy fa tsy mampiasa izany ho fitaovana hatokiana an’Andrimanitra amin’ny zavatra lehibe kokoa amin’ny ankehitriny. Tsy tia mitoetra loatra amin’ny fahatsiarovana aho, fa mandany ny fotoanako amin’ny nofinofy, matoky an’Andrimanitra hanetsika ny foko ary hanao risika. Ny nofitsika ho amin’ny ho avy dia tokony ho lehibe noho ny fahatsiarovantsika ny lasa. Rehefa miaina ny lasa isika, dia manakenda ny finoantsika sy ny fiainana amin’ny fiarahana amin’Andrimanitra. Miaina tahaka ny efa maty tsikelikely isika amin’izany. Vonona ny halevina isika amin’izany raha tokony ho mpandresy.

2. MARO EREHANA Kristiana maro, angamba ny efapolo isan-jato dia sahirana ao amin’ny fikarakarana avokoa. Sahirana ny amin’izay tokony hitranga amin’ny zanany, ny tokatranony, ny fandraharany, ny fahasalamany ary lafiny maro amin’ny fiainany izy. Tsy manana fotoana loatra hanofinofisana ny zavatra afaka hiseho amin’ny ho avy izy. Ireny olona ireny amin’ny ankapobeny dia mitantana fianakaviana na orinasa, ary tena manao asa tsara mampandeha izany. Mihevitra foana hanangonana izay ilaina androany. Manao planina sy mandamina tahiry izy mba hahazoana izay ilaina amin’ny fotoana ilaina izany. Ny tanjony dia hampihena ny risika amin’ny fomba rehetra. Manao kajikajy foana izy isa-minitra mba hahazoana antoka ka tsy hisian’ny tahotra sy ahiahy. Miaina anaty fiainana tahaka ny tsisy antenaina? Tena tsy fiainany mihitsy izany. Rehefa mamaky ny Baiboly izy dia toa tsy hitany ny antony niresahan’I Jesosy ny ho avy: ny fahafatesany, ny fitsanganany ary ny voninahitra ho avy. Ny zavatra hitany ao amin’ny Baiboly dia ny fitsipika fitantanana azo ampiharina androany.

3. NY MPAKA RISIKA

Ny mpitarika rehetra, ny mpandraharaha rehetra, ny mpamorona rehetra, ny mpanorina fiangonana rehetra sy ny olona rehetra izay mitondra fahasamihafana lehibe eo amin’ny fiainan’ny hafa dia mpaka risika avokoa. Ny sasany adaladala, ny sasany be fitetika, ny sasany mpandika lalàna fa efa ho ny antsasa-manilan’ny vahoaka no ao

Page 103: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

103    

amin’io toerana io. Amerika dia lasa firenena lehibe ary ny fiangonana ao dia nahatratra an-tapitrisany satria be ny olona nifidy io lalana io. Ny mpaka risika dia manery tena hanao izay vitany androany mba ho tonga amin’izay tian’Andriamanitra hahatongavany izy ny ampitso. Efa vonona sy mahay miatrika fahombiazana na ny tsy fahombiazana izy ireny. Noho izany, dia mianatra ny ho tony tsara foana izy na dia anaty faharesena aza. Raha tokony hiaro tena sy ho tezitra izy, dia aleony mandray lesona avy amin’ny fahareseny. Mampihatra mafy ny lesona voarainy izy amin’ny dingana manaraka izay mandroso hatrany. N y faharesena aminy dia varavarana mitondra azy ho amin’ny fahombiazana manaraka. Theodore Roosvelt dia nanao fanamarihana fa: “Tsy misy mendrika izany anarany izany izay tsy vonona amin’ny fotoana rehetra haka risika amin’ny fahavelomany, hanao vy very ny ainy ho amin’ny antony tsara kokoa.” Karazan’olona inona ianao: mpandevina, maro erehina sa mpaka risika? Miaina ny lasa ianao sa ny ankehitriny sa ianao manana fahatsapana fa Andriamanitra dia manana ho avy mamirapiratra miandry anao? Ataovy jery todika ny fomba fihevitrao, ny vavakao, na ny firesakao tamin’ny herinandro lasa. Firy tamin’izany no nifantoka tamin’ny fahatsiarovana mahafinaritra sy fanenenana? Firy no nifantoka tamin’ny zava-niseho iny andro iny ary nifandray tsara tamin’ny olona? Firy no nanonofy hahita an’Andriamanitra hanao zavatra tsara amin’ny ho avy? Tsy mety ny manonofy fotsiny fa mila manao jery todika ny lasa dia mandray fanapahan-kevitra ny amin’ny ankehitriny, nefa mampifantoka ny masony amin’ilay ho avy mamirapiratra nomanin’Andriamanitra ho azy izy. Matetika aho manontany ny tenako, mba lehibe ihany ve ny zavatra ataoko hanintonako ny mason’Andriamanitra? Izaho ve vonona ny hametraka izany amin’ny Tompo hahazoako ny bitsik’Andriamanitra? Ary manao ahoana ny aminao? Oviana no farany nahasahianao nanao zavatra lehibe mihoatra ny kajikajinao? Oviana no farany nakànao risika am-pinoana ? Betsaka amintsika no miezaka miala risika amin’ny fomba rehetra. Misy antony avokoa ny risika atao. Isankarazany ny fomba azo andrefesana raha mendrika hakàna risika ny zavatra iray na tsia. Raha toa ny valin-tenitsika hoe: “Tsia” na “Andraso” na “Misangisangy ianao izany!”, dia mila mamerina mandinika ny fahasahiantsika maka

Page 104: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

104    

risika isika.Ny zavatra rehetra ve mila azo antoka fa hahomby? Manambana akaiky loatra ve ny faharesena? Afaka miatrika ny zavatra rehetra tsy ilàna fanampiana loatra avy amin’Andriamanitra ve ianao? Tsy tahaka izany ny fiainana tiako hiainana. Vonona aho hanaiky izay mety fianjerana satria fantatro fa ny fanaovana risika ihany no làlana hahitàna an’Andriamanitra manao zavatra tsy mampino. Tsy misy antoka hita maso eo. Indraindray, nianjera niankohoka amin’ny tarehiko mihintsy aho nefa resy lahatra fa Andriamanitra mankasitraka ahy lavitra izay vonona ny haka risika toy izay ilay miandry vonona sy vita kajy maty paika. Ny tena marina anefa dia misy antoka efa napetraky ny Tompo. Andriamanitra dia nampanantena fa hampiasa ny zavatra rehetra, na dia ny faharesentsika antsika, hahatsara antsika raha hatoky azy isika (Rom 8:28). Afaka miaina miaraka amin’izany aho, ary amin’izany dia afaka maka risika foana izay mifototra amin’ny fampanantenany. MISY TENY VE? Ankoatran’I Davida, dia Jehosafata angamba no mpanjaka tsara indrindra nananan’ny vahoakan’Andriamanitra. Amin’ny maha mpanjakan’ny Joda azy, dia namerina ny fiainam-panahin’ny firenena izy. Lehilahy tena nanan-daza izy ary tena mpanjaka tsara. Rehefa nandeha niady ireo firenena nanodidina azy, notaomin’ireo foana Jehosafata hiaraka aminy satria hitan’izy reo fa nahita fitia tamin’Andriamanitrahatrany izy. Nisy fotoana, Jehosafata dia nanaiky handeha ho any amin’ny ady niaraka tamin’ilay mpanjaka ratsy fanahy nanjaka tamin’ny Israely(efa nizara roa Isarely tamin’io). Io ilay zanak’I Ahaba mpanjaka sy ny mpanjakavavy Jezebela, ireo roa ireo no nahavita zavatra mahatsiravina indrindra teo amin’ny tantaran’ny Israely. Elia mpaminany dia niady tamin’ny faharatsiam-panahin’I Ahaba. Naminany izy fa i Jezebela dia ho faty amin’ny fianjeràna avy eny am-baravarankely, ary ny alika no hihinana ny nofony. Dia tena niseho tokoa araka izany nolazain’I Elia izany. Tamin’ny fotoana naha mpanjaka an’I Jehosafata , tamin’izany Elia dia efa maty ary namindra ny kapotin’ny fitarihany sy ny hery tamin’I Elisa. Nihaino ny feon’Andriamanitra izy, nahatakatra ny sain’Andriamanitra ary tena lalim-paka tamin’ny fankatoavana Azy.

Page 105: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

105    

Izany dia fanalahidy ilaintsika amin’ny famaliana ny antson’Andriamanitra: fankatoavana lalim-paka. Efa nanakaiky ny ady teo. Efa vonona ny hiady ny mpanjakan’ny Edoma, Israely ary Joda. Nifankahala ireo firenena ireo nefa nanambatra hery hiadiana amin’ny mpanjakan’ny Moaba. Mba hananana antoka dia nanery an’I Elisa reo hiaraka amin’izy ireo. Ao anatin’ny fotoan-tsarotra, matetika ny olona marina dia tafaraka amin’ny tsy marina. Tafiditra tao amin’ny toe-javatra tena sarotra Elisa. Tsy ampy rano ireo mpanjaka telo sy ny miaramilany. Afaka velona andro maro tsisy sakafo ny olona saingy raha tsisy rano kosa dia andro vitsy ihany. Ny miaramila an-dalana hiady dia tsy afaka haharitra ela mihitsy raha tsisy rano. Nisy nanao kajikajy diso ka tsy nanan-drano nandritra ny fito andro ny miaramila tany an-tany foana. Rehefa niha sarotra ny zava-misy dia hoy Josafata: “Moa tsy misy mpaminanin’I Jehovah koa va eto izay anontaniantsika?” (2 Tant 18:6) Farany dia nisy nahatsikaritra fa I Elisa dia tao. “Zatra nanondraka rano tamin’ny tanan’I Elia izy” hoy ny anankiray tamin’ny mpanolo-tsainan’ny mpanjaka. “Niteny Elisa fa afaka mandre avy amin’Andriamanitra ho antsika. Andao isika hidina eny ambany eny dia hiresaka aminy” Raha nahita azy nidina I Elisa, dia niady ny tao an-tsainy. Nanaja an’I Josafata izy, fa ilay mpanjaka dia nanana fifandraisana tamin’ilay mpivavaka amin’ny sampy avy any Edoma, sy ny zanak’I Ahaba sy Jezebela, Jehorama, mpanjakan’ny Israely. Rehefa nangataka an’I Elisa hanome azy teny avy amin’Andriamanitra izy dia tsy nohenoiny akory. Farany, dia hoy izy taminy “tsy mpanjakan’ny Joda ve Josafata, tsy hanantona an’Andriamanitra akory izahay raha ho anareo roa. Raha tsy noho Josafata, dia ho navelan’I Elisa ho maty hetaheta izy ireo. Vonona hanampy ilay mpaminany satria nisy lehilahy iray nitoky tamin’Andriamanitra teo. Hoy Elisa: “Hitondrao zava-maneno aho.” Nanomboka nitendry ilay zava-maneno izy dia nandray ny bitsik’Andriamanitra. Dia nanomboka nanome toro-làlana Elisa: “Manaova lavaka maromaro eo amin’io lohasaha io.” Teny hentitra izany. Reraka sy nalemy noho ny hetaheta ireo miaramila fa hoy Elisa taminy “Manaova lavaka maromaro ianareo hoy ny Tompo. Hitondra fanafahana lehibe Izy. Hahazo rano isika rahampitso.” Marina ny

Page 106: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

106    

tenin’I Elisa ny ampitson’iny. Nofenoin’Andriamanitra rano ny lavaka, ary dia avotra ireo tafika telo tonta. Resy ireo Moabita. Andro feno voninahitra io andro io ho an’I Elisa sy ireo mpanjaka telo. Mianatra lesona manan-danja isika avy amin’io tantara io: rehefa ny lamosintsika no miankina amin’ny rindrina, ary rehefa tojo ady sarotra isika, dia mila manontany ilay fanontaniana napetrak’i Josafata hoe: “Tsy misy teny avy amin’ny Tompo ve?” Andriamanitra dia te hanome teny amin’ny ady rehetra atrehantsika. Rehefa mivavaka sy mihaino ny vahoakan’Andriamanitra, dia vonona Izy handefa teny avy any an-danitra. Nanome ny teniny Izy tamin’ny alalan’ny lehilahy iray izay nanolo-tena hankato hatrany. Afaka nampiasa anjely Izy, fa mety ho natahotra izy ireo raha tena niseho tokoa izany. Afaka nampiasa tondra-drano be izy, fa mety ho namono azy rehetra izany. Fa nifidy olona Izy “izay nanana fo natoky azy tanteraka”: Elisa. Andriamanitra dia mitady olona tahaka an’I Elisa androany. RISIKA SY NY VALINY Maharavoravo ny mahatsapa ny antson’Andriamanitra sy mahita Azy manao fahagagana rehefa mamaly Azy isika, fa tokony ho tsaroantsika koa fa isika dia mpiara-miasa ao amin’ny fanekena niarahana nanao. Zavatra kely amin’ny ataon’Andriamanitra fotsiny no hitatsika. Izy dia mahalala ny farany hatrany am-boalohany, ary betsaka ny zavatra izay tsy azotsika. Raha vao manomboka mihevitra isika fa manaraka izay tiatsika Andriamanitra , dia tokony ho tonga saina isika. Ny fanetrentena dia lalana lehibe iray tena ilaina andehanana amin’ny fanekena an’Andriamanitra. Mety manana fahasahiana lehibe ny mpaka risika nefa tokony hahatsapa tsara foana koa ny fa Lehibe loatra Andriamanitra ary kely izy. Rehefa mihaino an’Andriamanitra sy mahatsapa ny fitarihany isika, dia efa tsy lavitry ny zava-dehibe hataon’Andriamanitra. Nanafatra ny Apostoly Jesosy mba ho vavolombelona any Jerosalema, Jodia ary Samaria ary hatrany am-paran’ny tany. Vetivety dia nitombo be sy haingana be ny fiangonana tany Jerosalema ka nahatonga ny Apostoly tsy maintsy nitady olona hanampy azy hamory ny zavatra ilain’ny vahoaka. Nanendry lehilahy fito izay nahatoky sy feno finoana izy ho diakona. Iray tamin’izy ireo ilay lehilahy antsoina hoe Filipo, izay nandeha mihoatra noho ny asa voafaritra. Nizara ny

Page 107: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

107    

filazantsara tamin’ny karazana olona be dia be izy, anisan’izany ireo izay nailikiliky ny kolotsaina Jiosy dia ny Samaritana. Tany Samaria I Filipo dia nitondra fifohazana be: niparitaka ny afon’Andriamanitra ! Nateraka indray ny olona, sitrana, ary feno ny Fanahy Masina. Avy eo, tsy fantatra hoe avy aiza fa niteny taminy Andriamanitra :“Tiako ianao hiala amin’ity tanàna ity ary handeha any amin’ny làlana any an-tany foana(désert). Antso hafahafa ihany izany satria Andriamanitra vao nanao zava-dehibe tany Samaria tamin’ny alalany. Fa maninona no nalefany any amin’ny toeran-kafa indray izy? Amin’ny maha mpitandrina ahy dia azoko an-tsaina tsara ny fanontaniana nihodikodina tao an-dohany. Fa maninona aho no handeha izao nefa ny fifohazana vao manomboka eto Samaria? Fa maninona no lalana any an-tany foana any no asainao halehako? Tena Ianao mihitsy ve izany Andriamanitra? Nozahàna mafy ny finoan’I Filipo. Nangataka azy handao ilay efa mafàna Andriamanitra, fivoriana mahery sy mahafinaritra ka handeha amin’ny toerana feno vovoka. Ny ankamaroantsika tsisy mahavita izany, na mazava kokoa tsy hisy hanao an’izany tsotra izao. Fa Filipo dia efa nanolo-tena ho amin’ny fankatoavana hatrany (lalim-paka). Tsy velona mba hahomby na mba mba hotehafana. Fa velona izy mba hampifaly ilay“Mpitarika azy.” Na nanao ahoana na nanao ahoana ny fisalasalany, nandao ilay tanàna izy ary nankany an-tany foana. Tany izy, dia niandry. Afaka fotoana vitsivitsy, dia nisy lehilahy manatona mandeha kalesy. Izy dia manam-pahefana tao amin’ny lapan’ny mpanjakavavin’ny Etiopiana. Izy dia ionoka, niezaka mba hiditra tany amin’ny tempoly tao Jerosalema hivavaka amin’Andriamanitra, saingy mazava ho azy, tsy navelan’izy ireo izy. Satria tsy Jiosy izy fa vahiny, ary ionoka. Mety ho kivy izy noho ny fanilikilihana, fa mbola nanaraka an’Andriamanitra ihany. Rehefa nanakaiky ilay kalesy, dia nahatsikaritra I Filipo fa ilay ionoka dia namaky ny bokin’I Isaia, faminaniana momba ny Mesia Izay ho avy. Rehefa nanakaiky ilay manam-pahefana I Filipo dia nanazava ilay ralehilahy fa tsy azony izay vakiany. Filipo dia niteny taminy fa ilay andalana izay vakiany dia miresaka momba an’I Jesosy. Resy lahatra tamin’ny fanazavan’I Filipo Ilay manam-pahefana. Napetrany tamin’I Jesosy ny fiainany, ary najanony ny kalesy mba hanaovana batisa azy. Nateraka indray ilay ionoka ary dia natao batisan’ny rano tamin’iny

Page 108: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

108    

andro iny ihany. Nandeha nivahiny tany amin’ny ivo-toeran’ny finoana sy kolotsaina Jiosy izy nefa dia voailika.An-dalana mody, tamin’ny toerana tokony tsy ahitana n’inon’inona, an-tany foana, Andriamanitra dia nandefa olona hiteny aminy ny vaovao mahafaly ny amin’I Jesosy. Nody ilay enoko avy eo dia nampafantatra tamin’ny manam-pahefana Etiopiana hafa ny hafatra momba an’I Jesosy, satria izy no mpitam-bolan’ny firenena. Avy amin’ny fampianarana olona an-jatony(tao Samaria) mankany amin’ny firenena manontolo no lalana nitondran’Andriamanitra an’I Filipo.

 

Page 109: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

109    

Tsy mbola vita ny asan’Andriamanitra tao amin’i Filipo. Raha vao vitany batisa ilay ionoka,

“..., dia nentin’ny Fanahin’ny Tompo i Filipo...fa Filipo hita tany Azota, dia nitory ny filazantsara tany amin’ny tanana rehetra izay nalehany ambara-pahatongany tany Kaisaria.”(Asan’ny Apostoly 8:39-40)

Ahoana no nahatongavany avy any amin’ny rano tany an’efitra nankany an-tananan’i Azota? Tsy fantatsika. Angamba nandeha an-tongotra izy, na nentin’Andriamanitra ho fanampin’ny zotram-piaramanidin’ny Fanahy Masina izy. Na izany na tsy izany dia tonga tany izy, mbola nitohy sahy nidi-kizo nilaza tamin’ny olona mikasika an’i Jesosy ihany. Efa voatora-bato noho ny finoany i Stefana, koa dia tsy maintsy efa fantatr’i Filipo fa mety hiatrika loza toy izany koa izy any amin’ny distrika sy ny tanàna rehetra. Na izany na tsy izany dia tsy hisy zavatra afaka hampijanona azy tsy hankató ny fidiran’Andriamanitra an-tsehatra tampoka.

Mariho fa ny voalohany tamin’ny lisitry ny asan’i Filipo dia ny hanompo amin’ny maha diakona azy. Tsy apostoly lehibe sady tsy anisan’ireo mpianatra roambinifolo voalohany izy, fa tena feno fanolorantena ho an’Andriamanitra, ka tsy niandry olon-kafa ho sahy hidi-kizo hanambara amin’ny olona ny mikasika an’i Jesosy. Toy izany koa, ny mpino rehetra dia nantsoina hankató tsy misy fepetra. Tsy misy ny hoe Kristiana mahery loatra sy Kristiana tsotra. Isika rehetra dia ao amin’ny planin’Andriamanitra iankinan’ny ain’ny fanavotana ny olona maneran-tany. Isika rehetra dia samy manana anjara lehibe ao amin’ny fita-marik’ Andriamanitra.Teo aloha teo isika dia nijery ny mikasika ny famaritan’i Petera ny asa iraisantsika, amin’ny maha-mpino antsika. Mifanandrify amin’izany indray eto. Nanoratra mikasika ny maha-izy antsika, ny anjara asantsika ary ny fitiavan-dalina ao amintsika izy:

Page 110: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

110    

“Fa hianareo kosa dia taranaka voafidy, fanjaka-mpisorona, firenena masina, olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany, mba hilazanareo ny hatsaran’Ilay nantso anareo hiala amin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga.”(1 Petera 2:9)

Manolora tena ho amin’ny fankatoavana tsy misy fepetra, dia ho lasa isan’ireo olom-boafidy hirahina any amin’ny maro hanampy azy ireo hahita sy hanara-dia an’i Jesosy Kristy ianao.

FO ONENA

Tamin’ny fiainany sy ny asa fanompoany i Filipo dia nandresy ny sasantsasany tamin’ny “fandriky ny devoly”. Ny avonavona dia nahatonga lehilahy sy vehivavy maherin’ Andriamanitra maro ho lavo. Rehefa mampiasa be antsika Andriamanitra, dia mila mitandrina fatratra isika, mba tsy ho feno ny momba antsika. Mandre an’i Satana mibitsibitsika isika hoe: Oay e, maranitra ianao an! Tena mila anao tokoa Andriamanitra hanatanterahana ny Sitrapony sy hikasihana ny fiainan’ny olona.” Tsia, tsy izany. Afaka manatanteraka ny zava-kendreny Izy, na eo isika na tsia. Tsy zo akory ny ampiasan’Andriamanitra ny olona; tombontsoa lehibe indrindra afaka ho tsapatsika izany; ary mila tadiditsika fa Fanomezam-pahasoavany izany. Raha tsy mahavita mampijanona anao amin’ny ota misongadina satana, dia hanandrana handavo anao amin’ny fiavonavonana. Miahiahy an’i Filipo ho naka lasitra ny fony sy ny asa fanompoany tamin’ny an’i Jesosy aho.Velona mba hanome Jesosy, fa tsy handray. Tonga hanome ny Fiainany ho avotra hisolo ny maro Izy, fa tsy handray fankasitrahana na haka fahefana. Nampahatsiahy antsika hifantoka amin’ny fitiavana, famelan-keloka ary fahasoavan’i Jesosy ho maodelitsika sy antony manosika antsika i Paoly:

“Koa raha misy famporisihana ao amin’i Kristy, raha misy fampiononana avy amin’ny fitiavana, raha misy firaisana amin’ny Fanahy, raha misy famindrampo sy fiantrana, dia

Ny  fampiasan’  Andriamanitra  antsika  akory  tsy  zo;  fa  tombontsoa  lehibe  indrindra  afaka  ho  tsapatsika.  

Page 111: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

111    

tanteraho ny fifaliako, mba hiraisanareo saina, miray fitiavana, miray fo, miray hevitra. Tsy manao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana, na mandrani-tena foana; fa amin’ny fanetre-tena dia aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany.”(Filipiana 2:1-4)

Endre ny hadio sy ny halalalin’ny antony nanosika an’i Jesosy hanome ny Ainy ho an’ny hafa —Tsy misy manery Azy hanao izany. Milaza amintsika i Matio fa nandinika ny vahoaka Izy

indray andro, sahala amin’ireny ankizy mijrojoro eny amin’ny tohatry ny oniversite na Lycée ireny, dia onena Izy”(Matio 9:36). Lalina be ny teny Grika nandikany izany: voakasika sy tohina lalina Jesosy. Tsapany ny fanaintainan’izy ireo, ary nitsinjo ny toerana nisy azy ireo Izy. Ny tena izy ny dikateny dia milaza fa voakasika hatrany amin’ny “aty tsinainy” Izy. Ilay fahatsapana fangidiana rehefa maty ny olona akaiky anao na voakasika lalina ianao, satria anaty fahoriana ireo olon-tianao.

Raha toa ka raisinao tahaka ny kilalao ny fikasihan’Dieu anao, dia tsy ho matotra handray ny Bitsik’ Andriamanitra ianao. Raha mihevitra ianao fa hahatonga ny olona hihevitra anao ho zavatra izany, dia tokony handohalika sy hibebaka amin’ny fireharehanao ianao. Fa raha torotoro fo noho ireo mahantra ianao, dia vonona hiara-hiasa aminao Andriamanitra hanome ny Hafa-pitiavany sy fanantenany.

Toy izany koa, Jesosy dia nanoro hevitra ireo Mpianany hivavaka mba ho maro ny mpiasa hiara-hijinja amin’izy ireo. Hoy Izy hoe:

“Be ny vokatra fa ny mpiasa no vitsy. Koa mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.” (Matio 9:37)  

Page 112: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

112    

Iza ary ireo olona valim-bavak’ireo vavaka ireo? Azo antoka fa ireo izay niangona tao an’efitrano ambony tamin’ny andro Pentekosta, ireo an’arivony izay nanatona an’i Kristy teny an-tanàna nanodidina an’i Jerosalema, ary ireo an-tapitrisa tao amin’ny tontolo Romana izay nanoina ny filazantsara tao anatin’ny taonjato telo na efatra voalohany, taorian’i Kristy natsangana avy tao am-pasana. Fa izaho sy ianao koa dia valin’izany vavaka izany. Mpiasa ao amin’ny saham-pijinjàna malalaka be isika, ary manana haja mahatalanjona hiara-hiasa amin’ny hafa, izay mpankató tsy misy fepetra an’Andriamanitra. Nivavaka Jesosy sy ireo mpianatra mba hiseho izaho sy ianao, hanoina ny kitik’Andriamanitra, ary ho voatosiky ny fitiavana tsy voarebireby, hihitaran’ny Fitiavany ho any amin’ireo olona mandratra.

NY MPINO REHETRA, ISAN’ANDRO

Raha miankina amin’ny mpitandrina sy ny mpiasam-piangonana karamaina isika hanatontosa ny zava-kendren’Andriamanitra, dia ny hiahy ny olona rehetra ao anaty fiaraha-monina maneran-tany, dia tsy ho vita ny asa. Hisy mpiasa vitsy reraka loatra nefa misy marobe tsy hahita hatao. Tsy tahaka izany ny fomba tokony hiodinan’ny fanjakan’Andriamanitra! Ao amin’ny fiangonantsika, dia misy olona tsy voaisa, manome ny fony, fotoanany ary ny talentany handamina fiara, hampiditra olona, handamin-trano, sy hanao ny zavatra hafa rehetra izay tokony hatao. Ny antony handraisany anjara, na izany aza, tsy hoe mba hanao zavatra, fa manao ny anjarany izy mba hanatrarana ny very, hiahy ny maratra, ary hampiorina ny mpino amin’ny finoany. Ireny no taolan-damosin’ny firahalahiantsika. Mba hahatonga antsika ho ilay olona tian’Andriamanitra hahatongavantsika, dia mila ny fankatoavana tsy misy fepetran’i Filipo isika, ny indrafon’i Jesosy ary ny fifantohana tsy azo tapahina amin’ireo zava-kendreny. Mifanehatra amina fanelingelenana tsy tambo isaina isika. Ny ankamaroan’izy ireny dia toa tsara sy mahafinaritra, fa raha toa ka veritsika ny tena

Page 113: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

113    

fifantohantsika, dia hionona amin’ny zavatra tsara fotsiny isika, fa tsy ny tsara indrindra. Aza avela hitranga aminao izany. Ampanahafo an’i Jesosy ny fonao, ary mitadiava olona izay tena babon’i Jesosy manontolo. Mifampahereza amin’ny fitiavana an’Andriamanitra amin’ny fo manontolo ary manaova dingam-pinoana am-pahasahiana.

Erirereto izany...

1. Karazana mpaka risika manahoana ianao? Inona no mety hanampy anao ho sahy sy haka risika bebe kokoa?

2. Inona no sasantsasany amin’ireo rehareha na avonavona mety hitranga rehefa mahita an’Andriamanitra mampiasa antsika isika? Ahoana no hataotsika hampandrosoana ny fanetrentena?

3. Ahoana no fomba hamaritanao sy hanazavanao ny hoe “fankatoavana tsy misy fepetra”?

4. Iza no olona be indrafo, sahy indrindra fantatrao? Manintona anao ve ny fiainany? Inona no antony? Inona no azonao ianarana mikasika an’io olona io?

5. Inona no lesona manan-danja indrindra nianaranao avy amin’ity toko ity? Ahoana no fomba hampiharanao izany amin’ny fiainanao?

TOKO FAHAFITO

BITSIKA SY VOLA

Page 114: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

114    

Ny fomba fitantanantsika vola dia mariky ny toe-potsika. Manan-kolazaina betsaka ny amin’io Jesosy; ary raha ny traikefa niainako dia maro ny Bitsik’Andriamanitra mahakasika ny ara-bola. Ny vola dia tsy vitan’ny hoe taratasy sy vola-vy fotsiny ary korintsam-by. Ho an’ny olona maro, dia mampanantena hanome ny zavatra tiany fatratra izany. Amin’ny sasany dia fomba hanajana an’Andriamanitra izany.

KARAZAN’OLONA

Raha mijery akaiky ny fomba fitantanan’ny olona vola isika, dia hahamarika ny antony manosika azy ireo sy ny fomba fanaony.

Ny olona sasany dia mampiasa vola mba hananany fahefana amin’ny hafa. Manome izy ireo mba hanindriany ny mpiasa na ny olona ao amin’ny ankohonany; na fihininy ny vola mba hanaovana toy izany . Amin’izy ireo, ny fiainana dia hoe ambony ianao eo amin’ny fifandraisana aman’olona rehetra. Fitaovana fotsiny ihany ny vola — fitaovana tena mahomby —mba itazonan’izy ireny fahefana. Mety hahatadidy mpiasa-na mpandraharaha iray angamba ianao, izay mampiasa vola toy izany; fa na iza na iza, na mpanankarena na mahantra, dia afaka manome na mamihina vola, handemena saina ny hafa hahazoany izay tiany. Amin’izy ireo ny vola dia tsy inona fa ahafahana mifehy ny hafa. Nahalala olona maro aho izay mampiasa ny vola hahitana fitia aman’olona. Mividy fiara ‘hiaka farany’ sy fitafiana raitra indrindra izy ireo. Mitondra ny namany any amin’ny trano fisakafoana faran’izay tsara izy ary mifaly amin’ny fialan-tsasatra mampianoka amin’ny fahafinaretana. Izany rehetra izany no ataony dia mba hisehoana amin’izay olona manara-maso fotsiny. Maro amin’ireo varotra ao amin’ny fahitalavitra no natao hanindraindrana io antony manosika ny olona hanao zavatra io. Tsy afaka ny ho faly isika, hoy izy ireo, raha tsy manana ny zavatra vao nivoaka (sy lafo indrindra) hahatonga ny namantsika hioraka hoe: “Oooay e!”

Page 115: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

115    

Ny olona sasany zavatra hafa no ampiasany ny volany: mba hahazo aina araka izay azo atao.Tsy raharahiny loatra izay fahitàn’ny olona azy. Fa mirona amin’ny fahafinaretana, fientanentanana izy ary miaro ny tenany tsy hiatrika ady mafy. Mividy fanaka tsara tarehy sy ireo fitaovana an-tokantrano mandeha amin’ny herin’aratra, ary mihanoka amin’ny fiainam-pilibàna. Ahoana no ahafahana milaza fa manokan-tena ho amin’ny fahafinaretana fotsiny izy ireo? Rehefa tsy mandeha arak’izay heveriny ny zavatra, na somary miadam-piasa ny mpanolotra sakafo any amin’ny trano fisakafoana raitra, na tsy araka ny nantenainy ny fialan-tsasatra, dia romotra izy!

Ny olona sasany mampiasa vola mifanohitra amin’izany. Mitady fiarovana izy, ka dia tsy mamaky akotry; mitsitsy izy, miady varotra lava, ary mijery matetika ny vola tavela ao amin’ny banky. Manahy izy sao tsy ampy hahaloa ny fandaniany ny volany, na dia manana vola mihoatra lavitra noho izay ilainy aza izy.

Ahoana no fihetsiky ny olona tahaka izany manoloana ny Bitsik’Andriamanitra? Tena mora eritreretina. Sahirana amin’ny zavatra hafa ankoatran’Andriamanitra sy ny Fanjakany izy ireny, ka tsy dia tena misokatra amin’Andriamanitra mikitika azy hanome malalaka, am-pifaliana sy mamorona fomba hanampiana ny hafa. Araka ny hitatsika, ny toetra voalohany ananan’ny olona manoina ny feon’Andriamanitra dia fo feno ny Fitiavany, famelan-keloka ary hery. Rehefa mahatsapa voaaro sy tian’Andriamanitra isika, dia tsy mahatsapa ho voatery hampiasa vola ho amin’ny antony feno fitiavantena - ho fitaovam-pahefana, hanaitra ny olona, hanaram-po amin’ny fahafinaretana sy ny fientanentanana, na hifikitra amin’izany, mba hahatsapana ho manam-piarovana.

Nisy namana izay nitantara tamiko mikasika vehivavy iray izay manana fanahy mora onena olona. Tia mizara izy ary matetika Andriamanitra no mibitsika azy mba halala-tanana — tsy hoe manoratra taratasim-bola ho an’ny olona mahantra ihany fa mba

Page 116: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

116    

hanome ny fotoany sy ny fananany koa. Ny tena izy, indraindray izy dia mahatsapa fa tian’Andriamanitra hanome zavatra sarobidy. Nanome sary hoso-doko izy, latabatra tsara tarehy, firavaka lova ary zavatra sarobidy taminy. Ilay vadiny aloha, dia indraindray mihevitra fa mivadika ati-doha izy, fa nianatra ny tsy hitsivalana ny bitsik’Andriamanitra miharihary eo amin’ny fiainany izy. Isaky ny manome zavatra sarobidy aminy izy dia mieritreritra sy mivavaka mikasika izany. Mitaratra amin’ilay fahamarinana hoe ‘Jesosy nanome azy ny zavatra rehetra’ izy. Ka ny fanomezana zava-tsarobidy dia mametraka azy ho eo akaikin’ny fon’I Jesosy kokoa. Nomarihiny hoe: “tiako ny manome ireto zavatra ireto. Miezaka aho hanome azy ireto ho an’ny olona tena mila azy, ary manome fahafinaretana ahy ny mahita ny endrik’izy ireo.” Indraindray, na izany aza, dia tsy mitonona anarana izy manome. Ny tena izy dia mahazo fahafinaretana kokoa izy amin’ny fanomezana tsy ataony fantatr’ilay homena.

NY FIFALIANA MANOME

Ny Bitsik’Andriamanitra ny amin’ny vola dia mety ho tonga amin’ny fotoana rehetra. Matetika aho no mahita fa rehefa tsy mandany fotoana misaina ny rotoroto andavanandro aho, dia tonga saina kokoa amin’ny fitarihan’Andriamanitra. Fanaoko ny misintaka indray andro isaky ny herinandro vitsivitsy hivavaka, hianatra sy hihaino ny feo manatrik’Andriamanitra. Indray mandeha raha te hiala kely tamin’ireo hazakaza-dava ireo aho, dia nivoaka nandeha tongotra vao maraina. Rehefa niampita ny arabe nanoloana hotely iray aho dia nahatsikaritra lehilahy maromaro izay natory tao anaty fiarany tao amin’ny toerana fiantsonan’ny fiara. Ahoana no nahalalako izany? Nitranga teo am-baravarankely ny bà kiraron’izy ireo. Nahatsapa aho fa nibitsika ahy Andriamanitra hanontany raha mila fanampiana izy ireo, fa tsy noraharahaiko izany ary nanohy nandeha tongotra nidina ny lalana ihany aho.

Page 117: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

117    

Rehefa namarana ny dia an-tongotro aho, dia mbola teo ihany ry zareo; fantatro fa nanome ahy fotoana hamaliako ny Bitsiny Andriamanitra, ka dia nijanona aho. Nodondoniko ny varavarankely dia niteny aho hoe: “ Eh, mieritreritra aho hoe sao dia misy azoko anampiana anareo.”

Toa menamenatra ireo zazalahy anankiroa, ary niteny ny iray tamin’izy ireo hoe: “An, an, an, tsy maninona izahay ka!”

Efa hanohy ny diako indray aho no nahatsapa tsindry mafy kokoa te-hanome azy ireo 200 000 Ariary. Rehefa nandeha teny ny taona dia nianatra ny ho vonona amin’ny fitarihana ‘tampoky’ ny Tompo aho, ka dia mitondra “vola kelin’Andriamanitra’ mihoatra foana aho, ho an’ny toe-javatra tahaka izao. Nanao dingana vitsy niala teo aho, dia nitodika ary niteny hoe: “Ary tena matory ato anaty fiara mihintsy nareo ve?”

Afaka niteny izy ireo hoe: “Hmmm!, ary ianao manara-maso an!” fa nihatokatoka izy ireo ka niteny fotsiny hoe: “Ie! matory ato izahay”. Niezaka nitazona hena-maso fotsiny izy ireo. Nanazava ny iray taminy hoe: “tsy manana vola hipetrahana ao amin’ny hotely izahay. Misy fivoriana halehanay nefa ao. Mampianatra ny tanora mikasika ny fitarihana araka an’Andriamanitra ilay izy.”

Azoko antoka mihintsy fa nihaino an’Andriamanitra aho! Nampahafantatra ny tenako aho ary nanome azy ireo 200 000 Ariary. Feno fisoarana izy roalahy, mahaloa ny sakafo atoandrony angamba ilay vola ary ampy lasantsy handehanany mody. Tamiko dia fahafinaretana ny nanampy azy ireo. Nanaraka an’ Andriamanitra tamin’ny fony ireo tanora zazalahy ireo ary natoky Azy hampitao azy ireo ho amin’ny fanompoana mahomby. Nanome ahy tombontsoa ho isan’ny tafiditra tao anatin’ny diany Andriamanitra.

“NA NY LALANAO NA NY LALAKO”

Page 118: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

118    

Ny vola dia isan’ny zavatra ibitsihan’Andriamanitra foana. Tsaroako ny iray tamin’ireo fivoriana natrehako taorian’ny naha-lasa Kristiana ahy.Vao avy nandray ny taratasim-bola aho tamin’izay. Rehefa nandeha tany am-pivoriana aho ny harivan’io, dia nanana 552 000 Ariary. Natokako ny 40 000 Ariary hihinanako ‘hamburger’miaraka amin’ny namako aorian’ny fivoriana, ary ho tehiriziko ny ambiny. Napetrako tao amin’ny toerana miafina tao anaty poketrako ny 512 000 Ariary.

Rehefa tonga ny fotoan’ny fanatitra tao am-pivoriana, dia nahatsapa an’Andriamanitra aho nibitsika hoe: “Omeo Ahy ny 512 000Ariary fa tazony ny 40 000 Ariary.” Volabe izany amin’ny zatovo 19 taona, nefa noraisiko ny poketrako dia nalaiko ny vola. Ny fanatitro tamin’io andro io no loharanom-pitahiana ara-bola ho ahy teo amin’ny fiainako.

Tamin’io Lohataona io aho dia niditra tao amin’ny Kolejy Biblika ary vola kely no nananako hatao saram-pianarana, boky, ary fandaniana hafa. Nandoa ny ampahatelon’ny saram-pianarako no nanombohako ny enim-bolana voalohany, fa tsy maintsy nitoky tamin’ny Tompo aho ho an’ny roa ampahatelony izay tsy maintsy aloa mandritry ny taona. Tamin’ny enim-bolana voalohany dia nisy misionera tonga tao amin’ny fivoriana tao amin’ny trano fiangonana kely. Nahatsapa ny Bitsik’Andriamanitra aho raha teo am-pitenenana izy hoe: “ Manomeza 100 000 Ariary isam-bolana ho an’ny sehatr’asa misiona.” Tamin’ity indray mitoraka ity dia niaraka tamin’ny fampanantenana ilay Bitsik’Andriamanitra hoe: “Mandra-pahatongan’ny faran’ny taona, dia mahavita manome 1.200 000 Ariary ho an’ny asa misiona ianao.” Tsy azoko veroka ny fomba hahafahako manome 1200 000 Ariary ho an’ny asa misiona, satria izaho aza tsy manana 100 000 Ariary ho angonina. Nanomboka niady hevitra tamin’Andriamanitra aho dia niteny taminy fa tsy misy fomba hahazoako manome io vola io.

Page 119: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

119    

Taorian’ny niadiako hevitra tamin’Andriamanitra, dia nazava tamiko no nandreseny lahatra ahy hoe: “ Tianao hotantanina araka ny fombanao ny volanao sa araka ny Fombako?” Rehefa avy nifamaly kely tamin’ny Tompo teo aho, dia nanapa-kevitra ny hanao izany araka ny Fombany, na dia mbola nananan’ny sekoly vola roa ampahatelon’ny saram-pianarako aza, sady tsy azoko veroka hoe aiza no hahitako ny vola.

Rehefa nangonin’izy ireo ny fampanantenana(promesse) ny vola hatao fanomezana natao am-pinoana tamin’io alina io, dia nosoratako tamin’ny karatry ny mpanolo-tena hanome fanohanana ny misionera ny hoe 100 000 Ariary isam-bolana. Tena hetsika am-pinoana fotsiny io. Andriamanitra no hiantoka ny vola ho an’ny misiona, sy hanome ny vola saram-pianarako — fa tsy mety diso paika ny Bitsik’Andriamanitra. Azoko antoka fa nandre ny Bitsiny aho, ka dia natoky fa hiantoka Izy.

Nandritry ny taom-pianarana, dia afaka nanome ny 100 000 Ariariko isam-bolana aho. Raha manao jery todika aho, dia tsy azoko ambara anao ny fomba nanomezan’Andriamanitra ny vola ho an’ny fianarako, fa dia niditra an-tsehatra foana Izy. Satria natoky tamin’ilay fampanantenako aho, dia voaloa ny saram-pianarako rehefa nifarana ny taona! Raisiko ho fahagagana izany. Matetika ny fankatoavana dia lalana itosahan’ny asan’Andriamanitra ao anatitsika sy amin’ny alalantsika.

Herintaona taorian’izay, dia niditra ho ao amin’ny Kolejy Biblika aho; nampitomboiko ny fanomezam-pinoako. Tamin’io taona io, dia nisy olona nandoa ny saram-pianarako nandritry ny taona! Taorian’ny nianarako tao amin’ny kolejy nandritry ny efa-taona, dia nivoaka tsy nanan-trosa aho — voaloa avokoa ny saram-pianarako — satria tamin’ny fomba mahagaga no nandoavan’ Andriamanitra ny fandaniako isaky ny enim-bolana sy isan-taona.

Matetika  ny  fankatoavana  no  lalana  irotsahan’ny  asan’Andriamanitra  ao  anatintsika.  

Page 120: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

120    

Ny tena zava-dehibe indrindra tamin’ireo tranga rehetra mifampitohitohy ireo dia rehefa manontany Andriamanitra hoe: “Amin’ny fombanao sa amin’ny Fombako no tianao itondrana ny ara-bolanao?” Faly tokoa aho fa nianatra ny leson’ny fanomezana sy ny fitahiana fony mbola tanora teo amin’ny fiainako.

TSY AMPOIZINA

Teo amin’ny dimy taona taorian’ilay alina nahatsapako ny Bitsik’Andriamanitra, sy nanomezana 512 000 Ariary tao amin’ny fanatitra, dia nipetraka tao am-pivoriana tany Arkansas izahay sy Karen nihaino an’i Rev. Jesse Duplantis. Tamin’ny famaranana ny fotoam-pivavahana, dia nanome teny ho an’ny mpiangona izy. Nahazo Bitsika avy tamin’Andriamanitra izy. Hoy izy hoe: “ Misy olona eto izay rehefa tonga any an-trano dia hahazo taratasim-bola avy amin’ny IRS.”

Hoy aho nieritreritra hoe: “Ho hitako eo. Ny mpanome tamerim-bidy dia mahay maka vola fa tsy mpanome vola izany. Tsy dia noraharahiako ilay izy, dia niverina tany Arlington, tany Texas izahay sy Karen.

Rehefa nijery ny boatin-taratasy izahay, dia nahita taratasim-bola avy tamin’ny IRS ! Voasoratra fa nihoatra ny vola naloanay. Niriotra tany amin’ilay nolazain’i Rev Duplantis ny eritreritro. Nisaotra an’Andriamanitra aho dia nilaza Taminy hoe: “ Tsy hisalasala ny amin’ny Bitsik’ Andriamanitra intsony aho!” Notahian’Andriamanitra tamina vola ankoatran’io izahay — ary ho an’ny mpivady vao, dia tena fitahiana lehibe izany!

Taona maro taorian’izay, rehefa nanomboka fiangonana tany Oceanside tany California izahay sy Karen, dia nanana mpino sivy sy tsy dia nanam-bola. Mino aho fa manana fomba miavaka hanombohana fiangonana Andriamanitra: manomboka amin’ny

Page 121: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

121    

aorta(zero) ianao, ary rehefa mahazo zavatra, dia tonga saina hoe Andriamanitra no manome anao izany.

Toy izany koa no nanjo an’i Jesosy sy ny Fikambanany tamin’izany.

Raha mamaky ireo Filazantsara ianao, dia toa matetika lany an-tanana foana ry zareo. Indray andro, tonga ny fanjakana hitaky hetra, fa tsy nanam-bola ny fikambanana notarihin’I Jesosy. Nanome Kitik’Andriamanitra an’i Petera i Jesosy hoe: “Petera a, raha midina erý amin’ny farihy ianao, ka misarika hazandrano ao, dia hisy vola ampy handoavana ny hetratsika ao am-bavan’ny trondro.” Mahagaga izany teny izany. Raha izaho no Petera, dia ho finoana lehibe no nidinako teny amin’ny farihy sy nitadiavako vola vý tao am-bavan’ny trondro. Fa dia nitranga araka ny tenin’i Jesosy ilay izy: “ ...mankanesa ao amin’ny ranomasina hianao ka manjonoa, ary raiso izay hazandrano azo voalohany, ka rehefa sokafanao ny vavany dia hahita vola sekely ao hianao, dia raiso izany ka omeo azy ho avy amiko sy hianao.”(Matio 17:27)

Indraindray Andriamanitra dia manome amin’ny fomba mahatalanjona.

VOLA VOA AFAFY

Nahafinaritra anay sy Karen ny fipetrahanay tany Oceanside nandritry ny taona maromaro. Nitombo ny fiangonana, voavonjy ny olona, ary notahian’ Andrimanitra be mihitsy izahay. Nitombo be loatra izahay tao amin’ilay toerana vonjy maika nisy anay, koa dia nila nividy tany hanorenana trano. Any Amerika, Oceanside dia toerana lafobe. Hatreto dia nanofa ampahany tamina toeram-pivarotana goavana iray izahay, dia izao no nolazain’ny tompon-trano hoe: “Afaka misafidy ny hividy ity trano lehibe ity ianao, raha tsy hovidianao dia hamidiko amina Silamo izay te-hividy azy. Izy no ho

Page 122: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

122    

tompon-tranonareo vaovao.” Vao vitanay ny nanatsara ilay ampahany amin’ny trano nampiasainay, ka tsy nanana vola hividianana ilay fivarotana goavambe izahay. Ny vidiny dia aman’apitrisany Dolara. Tsy hitako izay hatao. Nikatsaka ny sitrapon’ Andriamanitra aho, ary nasaiko nivavaka koa ny fiangonana. Izahay rehetra samy nahatsapa fa toa ohatran’ny tian’Andriamanitra ho anay ilay trano fivarotana goavambe; ka ho ampiasaina ho fiangonana ilay tranobe, fa ny vola ividianana azy fotsiny no tsy ao.

Ilay fivarotana goavambe dia 6 kilaometatra avy eo amin’ny ranomasimbe Pasifika mahafinaritra, ary eo ampovoan-tanàna no misy azy. Ampahan-tany mahafinaritra ilay izy — mety tsara ho an’ny fiangonana! Ary be toeram-piantsonan’ny fiara(parking). Taorian’ny niresahako tamin’ny tompony dia nomena fanalavam-potoana izahay. Hoy izy hoe raha afaka manome vodiondrim-barotra 480 000 tapitrisa Ariary izahay dia hamorainy ny ambiny.

Mahatalanjona izany tolotra omeny izany fa mety ho niteny koa izy hoe 480 000 lavitrisa Ariary! Raha tsy miditra an-tsehatra Andriamanitra dia tsy hahita 480 000 Tapitrisa izahay. Izahay sy Karen ary ny fiangonana dia nitohy nangataka an’Andriamanitra mba hiantoka.

Herinandro taorian’izay na tahatahak’izany, dia nandao an’i Oceanside aho ho any Bakersfield any California, mba hanatrika fivoriamben’ny Distrika. Nasaina nandray ny fanatitra ho an’ilay fotoana aho. Teo am-pipetrahana tao amin’ny fivoriana dia nieritreritra izay holazaiko aho rehefa maka ny rakitra. Neritreretiko ny fahagagana ilaina ao am-piangonanay. Efa nifady hanina aho, tena nivavaka mba hanao fahagagana Andriamanitra mba hahafahanay mividy ilay toerana ho an’ny fiangonana.

Raha mbola nihodinkodina teo ny saiko nieritreritra mikasika ny zavatra ilain’ny fotoana sy ny ilainay, dia nandray Bitsika avy

Page 123: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

123    

amin’Andriamanitra aho. Nanontany ahy ny Tompo hoe: “Ohatrinona no homenao amin’ny fanatitra atao anio alina?”

Menatra aho. Tsy nanao planina hanome vola mihitsy aho. Namaly aho hoe: “Tompo ô, tsy manam-bola aho. Naloanay ny fandaniana tao am-piangonana, ary eo amin’ny 1000 000 Ariary eo sisa tavela ao amin’ny kaontinay.”

Nanontany ny Tompo hoe: “Ohatrinona ny vola ilainao?” Novaliako hoe: “Mila 2 400 000 Tapitrisa Ariary

hividianana ilay toerana.” Hoy Izy hoe:” “Zavatra iray amin’ireto zavatra ireto no azonao atao. Na hohaninao ny voa afafy na azonao afafy. Anao ny safidy.”

Fantatro mazava tsara fa niteny tamiko ny Tompo, ary namakivaky lalina tao am-poko ny Teniny. Rehefa tonga ny fotoana handraisako ny fanatitra, dia nilaza tamin’ny fiangonana aho hoe: “ Ny fiangonana izay tandremako dia ao anaty fotoan-tsarotra tokoa. Eo amin’ny herinandro eo sisa izahay dia hanao fifanaraham-barotra ny amin’ny toerana izay tianay hovidiana, nefa tsy anananay ilay vola. Raha tsy mandoa 480 000 tapitrisa izahay dia tsy azonay ilay toerana nofisinay ho ampiasaina ho toeram-piangonana.” Nitelin-drora mafy aho dia nanohy hoe: “Fa anio alina ny Tompo dia nampianatra ahy fa rehefa mila zavatra aho, dia mila mamafy. Noho izany dia izay no hataoko. Anio alina dia omenay ny 1000 000 Ariary ambiny sisa amin’ny volanay ao amin’ny banky.”

Taorian’ny nivavahana ho an’ny fanatitra, dia nanomboka niteny tamin’ny olona hafa tao an’efitrano Andriamanitra. “Raha misy zavatra ilainao dia mamafaza voa” nanomboka nanakoako teny amin’ny olona, ary nanjary tafakatra faran’izay ambony indrindra ny fanatitra azo tamin’io fotoana io. Nidanaka aho!

Na izany aza, rehefa nanomboka namily ny fiara ho amin’ny dia lavabe hody aho, dia nanomboka nahatsapa nenina. Hoy ny eritreritro

Raha  mila  zavatra  ianao  dia  mambole  voa.  

Page 124: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

124    

hoe: “Inona koa ary ity nataoko teo! Nomeko daholo ny volanay rehetra, ary miatrika krizy ara-bola faran’izay goavana aho eo amin’ny fiainako!

Afaka herinandro maromaro taorian’izay, dia tapitra ny fe-potoana, fa mbola tsy nanananay foana ilay vola. Nangataka fanalavam-potoana izahay, dia mbola nanome anay ilay tompon’ny teorana. Nitohy nivavaka, nanantena, ary niandry fahagagana izahay. Indray andro dia nahazo antso an-telefaona aho. Izao no nolazain’ilay mpiantso tamiko hoe: “ Henoko fa hianao hono niteny tao amin’ny fivorian’ny Distrika tao Bakersfield, ary ny fahazoako azy dia nomenao ny 1 000 000 Ariary- nareo farany ho

voa natao fanatitra am-pinoana. Nivondrona izahay ary nanapa-kevitra hanampy anao. Ohatrinona ny vola ilainao?”

Nanomboka niakatra ny fanantenako. Hoy aho hoe: “ Mila 2 400 000 Tapitrisa Ariary aho hatramin’ny rahampitso alina.”

Tsy nisalasala ilay olona nanao hoe: “Eny ary, halefanay aminao io vola io.”

“Izy rehetra ve?” Hoy aho.

“Ie, izy rehetra.”

Nanazava aho fa tsy manana fomba hamerenana ny vola, ary ny fiangonanay tsy eken’ny banky hisambo-bola. Nanazava indray izy hoe: “Pastora a, fanomezana maimaimpoana izany!Omenay anao ny 2 400 000 Tapitrisa Ariary”.

Izay no andro nividiananay ny toerana ho an’ny fiangonanay tao Oceanside. Nomenay ny tompon’ny toerana ny vodiondrim-barotra, ary izy no nanamora ny ambiny. Nomeny zana-bola tena ambany dia

Page 125: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

125    

ambany izahay, ka vitanay ny nandoa izany isam-bolana. Rehefa niala tao Oceanside izahay sy Karen, dia mitentina 14 000 000 000 Ariary ny tombam-bidin’ny toerana, fa tadidio hoe ilay vodiondrim-barotra dia azo tamin’ny alalan’ny voa nafafy 100 0000 Ariary — Ho an’Andriamanitra ny voninahitra rehetra.

Anisan’ny fampiasam-bola mahomby indrindra mikasika ny Bitsik’Andriamanitra ny mifandraika amin’ireo ao amin’ny indostrian’ny fanompoana. Eritrereto anie izao e: Rehefa voakarakara tsara ianao ao amin’ny trano fisakafoana, ny olona mikarakara anao matetika dia mikarama faran’izay kely, ka noho izany dia miantehitra amin’ny fahalalaha-tanan’ny olona izy.

Loza izany hoe mpanara-dia an’i Kristy nefa tsy mpanome vola fankasitrahana ny mpandroso sakafo izany. Mbola loza kokoa raha henon’ilay mpandroso sakafo ianao miresaka momba an’Andriamanitra na ny fiangonanao, nefa ny omenao azy kely noho ny 15 %.

Ny fomba tsotra indrindra hidiranao amin’ny resaka ahazoana namana dia fankanesana matetika ao amina trano fisakafoana tsy miovaova ary malala-tanana. Indray mande Izahay sy Karen efa namela famerim-bola avo telo heny na efatra amin’ny vidin’ny sakafo laninay satria nobitsihin’Andriamanitra hanao izany.

Vokatr’izany fahalalahan-tanana izany, dia nahita olona maro nanaraka anay tany am-piangonanay izahay ary maro no nanatona an’i Kristy.

Mampahery anao aho — amin’ny manaraka rehefa hisakafo amin’ny toerana fisakafoana ianao, dia bitsiho izao vavaka izao hoe:

“ Tompo ô, ampio aho hipetraka any amin’ny faritra izay misy olona tena mila zavatra mafy androany.”

Page 126: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

126    

Ho talanjona ianao hoe impiry ianao no hapetrak’Andriamanitra miaraka amin’ny olona tokony hiara-hipetraka aminao, ary ny fomba hibitsihan’ny Fanahy Masina anao ny amin’ny vola tokony omenao azy ireny. Amin’ny manaraka ianao rehefa tonga indray dia tiany ho fantatra ilay Kristy ao anatinao.

Mila mijery tsara, elaela sy am-pisainana isika amin’ny fomba ampiasantsika ny volatsika. Raha ampiasaintsika hahazoana fahefana, hahatonga ny olona hanaiky antsika, hanome fahafinaretana na hiaro antsika izy fa tsy hatoky an’Andriamanitra isika hiantoka antsika, na tsy manome an-kalalahana isika, dia mila mibebaka. Isika manontolo sy izay ananantsika rehetra dia an’Andriamanitra. Mpitantana izay rehetra napetrany hotantanantsika isika, ary tiany hampiasa ny Ariary tsirairay hanajana sy hanomezam-boninahitra Azy. Ny fianarana ny Bitsik’Andriamanitra mikasika ny volatsika no anisan’ny zavatra mampitsangam-bolo indrindra eo amin’ny fiainana. Aoka tsy ho dison’izany ianao! Raha malala-tanana isika, manome am-pifaliana, sy mamorona fomba anomezana, dia hitahy antsika amin’ny fomba tsy mampino Andriamanitra.

Hevero izany...

1. Inona no ambaran’ny fampiasantsika ny volatsika mikasika ny fotsika?

2. Ahoana no fahitanao ny fitahian’Andriamanitra anao(sy ny hafa) amin’ny maha-malala-tanana anao?

3. Inona no manosika ny olona “halala-tanana, hanome am-pifaliana sy am-pamoronana fomba anomezana?”Iza ireo olona modely nanome toy izany?

4. Inona ireo fomba sasantsasany amin’ny fahalalahan-tanana mampirisika ny finoantsika ?

Page 127: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

127    

5. Raha mamaky ity toko ity ianao, mahatsapa ny Bitsik’ Andriamanitra mikasika ny ara-bolanao ve ianao? Ahoana no hetsika ataonao amin’izany?

TOKO FAHAVALO

TAHOTRA MOMBA NY FAHAFENOAN’NY FANAHY

Tsy afaka miresaka ny Bitsik’Andriamanitra ianao raha tsy mahatakatra ny asa fanompoan’ny Fanahy Masina. Miasa amin’ny fomba samihafa ny Fanahin’Andriamanitra. Tao anatin’ny famoronana Izy, nitarika ny olona Izy raha nanoratra ny Soratra Masina izy ireo, Izy no mahatonga ny olona ho teraka indray, Izy no manamafy fa zanaka natsangan’Andriamanitra isika, mitarika antsika ho amin’ny fahamarinana Izy, manova ny fotsika Izy, ary manome antsika fanomezam-panahy, mba hahatonga antsika hahomby amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Maro ny Kristiana no mijaly tsy

Page 128: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

128    

mahalala mikasika ny anjara asa iankinan’ny aina izay ataon’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainany.

Rehefa mitoky amin’ny Fanahy hiasa ao anaty sy amin’ny alalantsika isika, dia lasa mampientanentana kokoa noho izay heverintsika ny fiainantsika, ary voaova mandrakizay ny tontolontsika!

Fony izaho mbola kely dia maro ireo pastora matahotra miresaka mikasika ny Fanahy Masina. Toa ialan-dry zareo bala izany lohahevitra izany.

Nobeazina tao amina fiaraha-monina “Fehikibo Baiboly ” tany Texas aho. Fony fahatanorako dia tsy azoko an-tsaina ny antony iantsoan-dry zareo an’ilay izy hoe “ Fehikibo Baiboly ”. Toa hafahafa tamiko. Avy eo, farany, indray andro, dia tsapako ny dikany hoe raha tsy mahatafiditra an’i Jesosy ao am-poko i Dada sy Neny amin’ny alalan’ny Baiboly, dia hokapohin-dry zareo hiala ato anatiko amin’ny fehikibo ny devoly!Ah! Izay vao azoko!

Feno ilay fiangonana kely natrehinay indray Alahady maraina izay. Nitsangana i Pastora Woods dia nilaza fa manana filazana lehibe hatao: “Ry fiangonana !”, hoy izy nitandrina tsara, “Tiako ny mampahafantatra anareo fa omaly alina aho dia tany amin’ny Firahalahian’ny Mpandraharahan’ny Filazantsara Feno, ary nandray ny fahafenoan’ny Fanahy Masina aho.”

Olona vitsy tao am-piangonana no niteny hoe “Amena”. Fa tsy mbola tapitra ny filazan’i Pastora Woods. Ny filazany manaraka dia nahatohina ny fiangonana hatrany amin’ny tsinay maintiny. “Tiako ny mampahafantatra anareo, niato kely izy alohan’ny nanohizany ny fehezanteniny, “fa miteny amin’ny fitenin’ny lanitra aho.”

Lasa nangina tahaka ny fasana ny fiangonana. Tahaka ny hoe nilaza taminay izy fa lasa Kominista na olona avy eny amin’ny planeta Marsa. Gina ny olona.

Page 129: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

129    

Tamin’izany fotoana izany aho, dia mbola zazalahikely, ary tsy azoko tsara izay nolazain’i Pastora Woods. Nahaliana ahy ny antony nahatonga ny olona tao am-piangonana ho talanjona tamin’ny filazàny. Rehefa nandeha tany amin’ny fivoriana hariva izahay tamin’io Alahady alina io, dia tsy tao i Pastora Woods. Niara-nivory ireo diakona tamin’io tolakandro io dia nanala azy tsy ho pastoranay. Niteny mafy ireo nanatrika ny fivoriana hariva ny loholona tamin’io alina io hoe: “Isika dia tsy mino fa ny olona dia tokony hiteny amin’ny fitenin’ny lanitra — tsy amin’ity fiangonana ity izany. Tsy mino isika hoe ny Fanahy Masina dia manome fanomezam-pahasoavana ho an’ny olona, satria ireo fanomezam-pahasoavana ireo dia natao ho fananganana ny fiangonana.

Efa mijoro ny fiangonana, ary efa lasa niaraka tamin’ny apostoly ny Fanahy Masina.”

Na dia tsy nino ny fanomezana tsapan’i Pastora Woods aza ireo diakona, ny tranga tamin’iny Alahady iny dia namboly voa tato anatiko. Manontany tena aho hoe misy zavatra sarobidy kokoa noho ny Fanahy Masina ve ampianarin’ity fiangonana ity? Misy zavatra tsy voaraiko ve?

Nanomboka nifantoka kokoa namaky Baiboly aho, ary nahita fampianarana maro mikasika ny anjara asa sy ny asa fanompoan’ny Fanahy Masina. Nanoratra mikasika lehilahy Jiosy iray i Lioka:

“Ary tonga tany Efesosy ny Jiosy anankiray atao hoe Apolosy, izay teraka tany Aleksandria, lehilahy nahay nandaha-teny sady nahery tamin’ny Soratra Masina. Izany lehilahy izany efa nampianarina ny lalan’ny Tompo[Izany hoe fantany izay lazainy] ary nafàna fo izy, dia niteny sy nampianatra marimarina ny amin’i Jesosy; kanefa ny batisan’i Jaona ihany no fantany. Ary izy niteny tamin’ny fahasahiana teo amin’ny synagoga; ary rehefa nandre azy i Prisila sy Akoila, dia nandray azy hankao aminy, ka

Page 130: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

130    

nampianatra azy marimarina kokoa ny amin’ny lalan’Andriamanitra.”

Nofaritan’i Lioka ho “lehilahy nianatra, mahalala tsara ny Soratra Masina” i Apolosy, fa “ ny batisan’i Jaona ihany no fantany.” Nataon’i Jaona batisa ny olona izay miandrandra ny Mesia. Nanatona azy izy ireo satria nibebaka tamin’ny otany. Fa tsy feno ny batisan’i Jaona. I Prisila sy Akoila dia nahatsapa fa i Apolosy dia tsy mbola nandray ny batisan’ny Fanahy Masina. Nentin’izy ireo nitanila izy, ary nanazavany fa mbola mila bebe kokoa noho ny batisan’i Jaona izy — mihoatran’ny batisan’ny rano. Dia izay no nanazavan’izireo taminy ny fomba hahazoana ny batisan’ny Fanahy Masina.

Mamela ahy hametraka fanontaniana aminao: Efa nandray ny batisan’ny Fanahy Masina ve ianao? Rehefa monina ao anatinao ny Fanahy Masina, dia hanana hery bebe kokoa ianao, hafanam-po bebe kokoa, fitiavana bebe kokoa, fifaliana bebe kokoa, ary tanjaka bebe kokoa hanatanterahana ireo zavatra nomanin’Andriamanitra ho anao. Izany no fahatsapana tsara indrindra mbola tsy tsapanao.

Ohatran’izao no fiheverako azy: Vao avy nividy fiara vaovao misy motera matanjaka V-8 eo ambany ‘capot’ ianao. Mena mamiratra ilay izy ary avily amin’ny hafainganam-pandeha farany haingana indrindra! Tena raitra ilay motera. Tsy misy tahaka ny fiara vaovao — ny fofona, ny fahatsapana, ny familiana... ary indrindra ny fijerin’ny olona anao rehefa miriotra eny an-dalana ianao. Te-hiteny ianao hoe:” Ie, marina izany e. Ahy ity!” Ny fiaranao vaovao, mamiratra, mena, matanjaka misy motera V-8 dia handeha mandritry ny fotoana fohy, fa na ho ela na ho haingana, dia ho lany lasantsy. Amin’izay fotoana izay, dia matanjaka tsy misy toa azy eto an-tany izy, fa hijanona eo amoron-dalana io mandra-pahitany loharanon-kery. Ny gaz-oil no loharanon-kerin’ny fiara ary ny Fanahy Masina no loharanon-kerin’ny Kristiana.

Page 131: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

131    

Raha tsy miankina Aminy isika, dia ohatran’ny ao tsara mipetraka eo amin’ny sezam-piangonana, dia mety afaka miresaka kilalao tsara mikasika an’i Jesosy, fa ny fotsika hitoetra hangatsiaka sy poak’aty. Ny fanahin’Andriamanitra no loharanom-pitiavana, fiainana, ary hery mihoatry ny fisainantsika.

Amin’ny fiara, isika dia mandeha mankeny amin’ny tobin-dasantsy indraindray, fa amin’ny fiainantsika ara-panahy, isika dia miankina amin’ny Fanahy Masina isan’andro mandritry ny andro.

Aza mba mitsahatra mitoky Aminy hitarika anao, hanome anao fahendrena ary ampitao anao hahatontosa ireo zava-kendren’ Andriamanitra. Rehefa feno ny ‘reservoir’-nao ara-panahy, dia afaka hanao zavatra tsy takatry ny saina ho an’Andriamanitra ianao.

Maro ny Kristiana, na dia be dia be any amin’ny fiangonana feno ny Fanahy aza, no diso fihevitra ny amin’ny Fanahy Masina. Noho izany antony izany dia nanao fanontaniana fito aho, hamantarana sy hanazavana ny Anjara Asany.

• Fanontaniana #1:Tian’Andriamanitra ho feno ny Fanahy ve aho?

Talohan’ny nitsanganany handehanany any an-danitra, dia izao no nolazain’i Jesosy tamin’ireo mpanaraka Azy:

“Ary indro Izaho mampitondra ny teny fikasan’ny Raiko ho anareo, fa mitoera eto an-tanàna mandra-panafiana anareo amin’ny hery avy any amin’ny avo.”(Lioka 24:49)

Ataon’i Jesosy azo antoka fa tsy diso ny Fanahy Masina izy ireo rehefa tonga Izy tamin’ny Pentekosta. Hoy Izy hoe: “ Manana teny fikasana ho avy hianareo. Aza mba diso an’izany! Mijanóna etý. Efa hofenoina ny herin’ny lanitra hianareo.”

Page 132: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

132    

Ny fampaherezan’i Jesosy akory tsy ho an’ireo mpianatra sisa tavela. Mihatra amin’ny mpino rehetra izany. Ampolo taona maro taty aoriana, dia nanazava tamin’ireo Galatiana i Paoly hoe:

“Mba ho tonga amin’ny Jentilisa ny fitahiana an’i Abrahama ao amin’i Kristy Jesosy, ary mba horaisintsika amin’ny finoana ny teny fikasana ny amin’ny Fanahy.”(Galatiana 3:14)

Hitanao, nanome teny fikasana ho an’ny Kristiana rehetra Andriamanitra! Manahoana ny hatsaran’ny teny fikasan’ Andriamanitra? Hevero izany. Mahalala olona ve ianao izay ny fampanantenany anao dia mafy orina toy ny vatolampy, tsy azo ozongozonina, ary tsy mampisalasala ny hahatanterahany? Manana namana maro toy izany aho. Raha mahalala olona izay mahatanteraka ny fampanantenany ianao, araka ny hevitrao tsy hitazona ny fampanantenany ve Andriamanitra? Matetika Jesosy dia mampiasa ny teny hoe: “Fampanantenana”. Hoy izy tamin’ny Mpianany hoe: “Nampanantenain’ny Raiko anareo”, sy hoe “mba hahazoanareo izay lazain’ny teny fikasana”. Azo antoka ny fampanantenany — mahazo mitoky amin’izany ianao. Mila mangetaheta fatratra fotsiny isika handraisantsika ny fampanantenan’ny Fanahy Masina.

• Fanontaniana #2 : Mila fenoina ny Fanahy ve aho mba handehanako any an-danitra, sa afaka misafidy aho?

Ao amin’ny toko manokatra ny bokin’ny Asan’ny Apostoly isika dia mamaky tantaran’i Jesosy niseho tamin’ny Mpianany, taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty. Niseho tamin’olona maro samihafa Izy, sy vondron’olona tao anatin’ny efapolo andro. Talohan’ny niakaran’i Jesosy tany an-danitra, dia hoy i Lioka amintsika hoe:

Page 133: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

133    

“Ary raha niara-niangona teo aminy[ireo mpianatra] Jesosy, dia namepetra azy tsy hiala an’i Jerosalema fa hiandry ny teny fikasan’ny Ray, izay efa renareo tamiko, hoy Izy. Fa Jaona nanao batisa tamin’ny rano, fa hianareo kosa hatao batisan’ny Fanahy Masina rehefa afaka andro vitsivitsy.”(Asan’ny Apostoly 1:4-5)

Mamelà ahy hijanona eto fotoana fohy ary hanome anao lesona Grika fohy. Ny fomba nampiasana ny fiteny teto dia mahavariana. Nanao fiteny Grika aho fony tany amin’ny Kolejy Biblika ary nahita fa anisan’ny fiteny mahaliana indrindra sy manazava tamin’ireo izay nianarako izany. Nianatra aho fa misy filaza isan-karazany sy fomba fampiasana samihafa izay ampiasaina amin’ny fiteny grika. Misy ny fomba fampiasana fiheverana(izay amin’ny toe-javatra heverina), ary misy koa ny hoe filaza mety nitranga; fa ny fiteny nampiasaina ato amin’ity fiteny ity dia lavitra be an’izany rehetra izany. Filaza mandidy ilay izy. Ny dikan’izany raha bangoina dia hoe manome didy Jesosy. Tsy soso-kevitra fotsiny izany hoe mandeha ry zareo mba hofenoina ny Fanahy Masina nampanantenaina. Didy ilay izy!

Ao amin’ny taratasiny ho an’ny Efesiana i Paoly koa dia nandidy hoe:

“ Koa tandremo tsara izay fandehanareo mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry. Ka araraoty ny andro azo anaovan-tsoa fa ratsy izao fiainana izao. Ary noho izany dia aza manao adaladala fa aoka ho fantatrareo izay sitrapon’ny Tompo. Ary aza ho mamon-divay hianareo fa amin’izany dia misy fanaranam-po[fahazaran-dratsy maharesy ny tena] amin’ny ratsy, fa aoka hofenoina ny Fanahy.” (Efesiana 5:15-18)

Inona no andrandraintsika rehefa feno ny Fanahy isika? Ao aoriana ao, ato amin’ity lahatsoratra ity i Paoly dia milaza amintsika fa ho feno fifaliana sy fankasitrahana ao amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra isika, ary hanova ny fifandraisantsika

Page 134: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

134    

aman’olona izany, mba hitiavantsika azy ireo amin’ny fo, fa tsy miezaka hila fitia aminy, na hiafina amin’izy ireny hiaro tena aminy, na hanindry azy ireny amin’ny fandresena ny adihevitra rehetra. Ny anjara toeran’ny Fanahy manome antsika bitsika dia iray amin’ny fiainana feno ny Fanahy fotsiny ihany —ampahany manan-danja, fa anisany fotsiny. Ny maha-feno ny Fanahy dia manova tanteraka ny lafim-piainantsika rehetra!

Ny fampanantenan’Andriamanitra mahafinaritra indrindra sy ny didy hifaly, dia manome hery, fiainam-pahendrena ara-panahy feno, amin’ny alalan’ny asan’ny Fanahy Masina. Tsy fanampiny akory Izy. Iankinan’ny aina Izy. Ny olona sasany manontany hoe: “ Tsy afaka mankany an-danitra angaha aho raha tsy feno ny Fanahy Masina?” Ny valiny dia hoe: “Ie, afaka mankany ianao, fa ho be banga ny fiainanao eny an-dalana!” Nahoana loatra moa ny tompon’ny fiara faran’izay raitra, matanjaka, no hamela ny fiarany eo amoron-dalana fa tsy hofenoiny lasantsy izany? Nahoana moa ny Kristiana no hitolona eo amin’ny fiainana, kely fifaliana sy tsy mahomby, fa tsy mampitombo ny fifaliana sy ny herin’ny Fanahy Masina? Tsy mitombona mihitsy izany.

Ny fo mafy hatoka no iray amin’ireo sakana lehibe indrindra ho an’ny fiainana feno ny Fanahy Masina. Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha no manazava tranga iray, rehefa nampiasa boriky Andriamanitra hiteny amina lehilahy iray, satria tsy mety mihaino an’Andriamanitra izy. Tokony ho fantatrao fa tsy miraharaha ianao, ka tsy maintsy mampiasa boriky Andriamanitra hitenenana aminao!

Mpaminany i Balama fa tena faran’izay mafy loha. Indray andro dia lasa tezitra Andriamanitra noho i Balama tsy niraharaha ny bitsika niezahany nikitihana azy.

Raha mbola notohizan’i Balama ny lalana nizorany, dia ho nanatona ny fahapotehany izy. Koa naniraka boriky Andriamanitra hanakana azy:

Manampy  antsika  hahita  izay  tsy  afaka  ho  hitantsika  amin’ny  mason’ny  nofotsika  ny  Fanahy  Masina  

Page 135: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

135    

“Dia hitan’ny boriky nijanona teo an-dalana Ilay Anjelin’i Jehovah sady nitana ny sabany voatsoaka teny an-tanany; dia nivily lalana ny boriky ka nankany amin’ny saha.”(Nomery 22:23)

Nahita ilay anjely ny boriky, fa i Balama tsy nahita. Nibahana ny lalan’ilay mpaminany ilay biby, koa nanomboka nokapohany izy. Mbola nitranga in-droa izany . Farany, dia nipetraka teo an-dalana ilay boriky ka niteny tamin’i Balama! Niteny ny ampondra satria niezaka nibitsika tamin’i Balama Andriamanitra fa tsy nihaino izy. Tsy fantatro ny aminao, fa raha manomboka miresaka amiko ny boriky, dia mihevitra aho fa hisaina.(Tsy misy olona hievitra ny Hikiakiaka ve amin’izay fotoana izay? Ie, izaho koa.)

Manampy antsika hahita izay tsy hitantsika amin’ny mason’ny nofo ny Fanahy Masina. Mivelona ao anaty haavo telo isika, fa Andriamanitra miaina ao anatin’ny haavo rehetra. Manazava ny Apostoly Paoly hoe:

“Raha tsy mijery ny hita izahay fa ny tsy hita,fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita maharitra mandrakizay”(2 Korintiana 4:18)

Tsy lavitra fa eo ivelan’ny haavon’ny fotoana sy ny toerana, dia misy zavatra mahatalanjona mitranga. Manampy antsika hitodika amin’ny zavatra ataon’Andriamanitra ao amin’ny tontolo tsy hita maso ny Fanahy Masina. Miezaka mibitsika amiko sy aminao Andriamanitra amin’izay zavatra tsy hitantsika.

Mivavaka isan’andro aho mba homen’Andriamanitra maso mahita ny tsy hita maso.

Miaiky aho fa im-betsaka no tahaka an’i Balama mihitsy. Nila niditra teo amin’ny fiainako nanakana ahy sy niaro ahy tsy hizotra ho any amin’ny tsy izy Andriamanitra. Tahaka ny hoe niteny tamin’ny alalan’ny boriky (na namana tsara)Andriamanitra itenenana hoe: “Eh! Mifantoha. Mila mivily lalana ianao izao dia izao ihany”. Tsy fantatro

Page 136: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

136    

raha toy izany no itenenany aminao, fa indraindray dia toy izany no tsy maintsy itenenany amiko.

Nampiasa an’i Karen im-betsaka koa Andriamanitra mba hahazoako izay tiany lazaina. Indraindray ny hafatra dia mikasika ny ankohonanay na ny fiangonanay. Indraindray mikasika zavatra tsy tokony hampangovitra akory. Ohatra, izaho tia tany — fa tsy dia tia ranomasina. Efa nahita loza maro ratsy mikasika rano aho. Naloiloy teny ambony rano matetika aho. Efa saiky maty an-drano. Eny, tsy nanampy ahy koa izany. Tsy misy dikany amiko izany hoe ho any an-dranomasina izany... na dia ny hanakaiky any aza. Izao foana no lazain’i Karen hoe: “Tsy fantatrao ny zavatra tsara tsy iainanao”.

Matetika dia mihifikifi-doha aho: “Tsy fantatrao ve fa misy atsantsa any e?”

Hoy izy: “Ie, fa arobohy fotsiny ny tongotrao mba ho lena e!”. Dia manana avaly an’izay koa aho: “Tsia, misy ireny trondro malilalila ireny koa anie ety amoron-dranomasina e! Dia henoko fa misy amalona misy herin’aratra koa. Mety ho kakerin’ny herin’aratra eo aho!”

Nitandrina tany Oceanside izahay, akaikin’i San Diego, nandritry ny dimy ambinifolo taona, fa tsy tadidiko izay izaho nidina tao anaty rano. Ny vadiko mankany amoron-dranomasina foana ary mahatsapa fa akaikin’Andriamanitra izy any. Mandàny ora maro mivavaka sy mitsaoka an’Andriamanitra any izy. Fa izaho mivavaka ato an-tranoko ihany.

Taona maro lasa izay, niala sasatra tany Cancun izy dia niresaka tamiko fa hijery hazandrano ao anaty rano. Tsy dia faly aho raha nandroso ho ao amin’ny rano marivo izahay, fa hitako nisy zavatra mahafinaritra eo ambany kelin’ny rano! Nilomano

Page 137: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

137    

nivoaka nankeny amin’ny sakatsakan’akorandriaka izahay, ka tsy nino ny zavatra hitako aho. Nahita zavatra tsy mbola hitako taloha aho. Mahatalanjona izany! Fa izay no farany amin’ny fidirana tanaty rano. Raha misy zavatra ao an-dranomasina ilaina jereko, dia hojereko amin’ny ‘canal’ misy fahitalavitra izany.

Iverenana ny fanontaniana: Tsia, tsy voatery ho feno ny Fanahy Masina ianao izay vao afaka mankany an-danitra, fa marobe tsy hita isa noho ny trondrokely mahafatifaty ao amin’ny ranomasina marivo, ny zavatra tsy ho hitatsika. Tsy ho azotsika ny dia mahafinaritra lehibe eo amin’ny fiainana: Tarihin’ilay Andriamanitry ny tontolo, mba hikasika ny fiainan’ny olona manodidina antsika.

• Fanontaniana #3: Inona no hiova rehefa feno ny Fanahy Masina aho?

Tsaroako ny alina nahafeno ny Fanahy Masina ahy. Nandeha ho eo an-davarangana aho ary sambany teo amin’ny fiainako no nahatsapako fa tsy mbola nahamarika ny hazavana mampitolagagan’ny kintana aho. Toa nihamazava ny zavatra nanodidina ahy, miha-mampirapiratra ary tsara tarehy kokoa —tahaka ny tena mahita zavatra aho! Raha nidina ny lalana teo an-tsisiny aho, dia nanindrona ahy ny tsy nananako faniriana tahakan’ny izaho niditra tao am-piangonana ora vitsy talohan’io. Nialàko ny fahazaran-dratsy dimy io alina io, tamin’ny fihaonana tamin’ny Fanahy Masina indray mandeha. Tsy majia(magie) akory izany. Ny Fanahin’Andriamanitra izao dia mameno ny foko mba hahatonga ireo zavatra ireo ho resy sy ho voafehy.

Rehefa mahatsapa ny Fanahy Masina ianao, dia tsy toy ny taloha intsony. Hahatsapa ianao fa eo foana Izy miaraka aminao, ary niasa teo amin’ny fiainanao Izy, na dia tamin’ny fotoana tsy nanamarihanao Azy aza. Ny mpanoratra ny Genesisy dia nanazava tranga iray teo

Page 138: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

138    

amin’ny fiainan’i Jakoba. Nanonofy tena nofy velona izy indray alina. Niteny taminy sy nanao fanekena taminy Andriamanitra. Rehefa nifoha i Jakoba ny ampitson’iny, dia nahamarika hoe: “Teto amin’ity toerana ity tokoa Andriamanitra, fa izaho no tsy nahalala”(Genesisy 28:16). Ny fahatsapany ny fanatrehan’ny Fanahy Masina dia nampangovitra ny fon’i Jakoba — tamin’ny lafiny tsara. Nanangana tsangambato izy, ary mijanona eo isaky ny mandalo. Tsy tiany hohadinoina ny fotoana nandraisany ny Bitsik’Andriamanitra ary niditra ho eo amin’ny haavo araka an’Andriamanitra izy.

Koa inona izany ny fahasamihafana entin’ny Fanahy Masina? Talohan’ny nitsanganany tamin’ny maty hankanesany ho any an-danitra Jesosy dia niteny tamin’ireo mpanara-dia Azy hoe:

“Fa hahazo hery hianareo amin’ny ilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ka ho vavolombeloko eto Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatrany am-paran’ny tany.”(Asan’ny Apostoly 1:8)

Miaina ao anaty kolontsainan’ny ‘samy somokitra amin’ny tenany’ isika, ary ny tena izy aza, dia tia tena ara-voajanahary isika. Rehefa manova antsika avy ao anatiny manketý ivelany ny Fanahy Masina, dia miova ny maha-izy antsika sy ny faniriantsika. Tonga saina isika fa tsy tompon’ny tenantsika intsony; voavidin’ny ran’i Kristy isika. An’Andriamanitra isika: vatana, aina, fanahy — ary ambonin’ny zava-drehetra , dia velona hanao izay sitrany isika. Migoka avy amin’ny loharanon-kery lehibe indrindra eto amin’ity tontolo ity isika, mba ho azon’Andriamanitra ampiasaina amin’ny Misionany hanavotana izao tontolo izao — olona ao amin’ny havantsika, eo amin’ny manodidina antsika, ny tananantsika, ny firenentsika ary manerana ny elabolan-tany. Izany no Tanjony, ary lasa tanjontsika koa. Nazavain’i Paoly ity fanokanan-tena ity rehefa nihaona tamin’ireo loholona avy any Efesosy izy. Nazavainy hoe:

Page 139: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

139    

“Ary ankehitriny, indro tery am-panahy hankany Jerosalema aho,nefa tsy fantatro izay hanjo ahy any, afa-tsy izay ambaran’ny Fanahy Masina amiko amin’ny isan-tanana, fa hisy famatorana sy fahoriana hanjo ahy. Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana izay noraisiko tamin’i Jesosy Tompo, hanambara ny filazantsaran’ny fahasoavan’Andriamanitra.” (Asan’ny Apostoly 20: 22-24)

 Manome hery antsika ny Fanahy Masina mba hahatonga antsika

ho vavolombelon’i Kristy tsara kokoa, hery handresena ny sakana amin’ny alalan’i Kristy. Ny sasany amin’ireo sakana ireo dia ireo fahazaran-dratsy azotsika rehefa tsy miara-mandeha amin’Andriamanitra isika. Tamin’ny alina izay nahafeno ny Fanahy Masina ahy, iray amin’ireo fahazaran-dratsy dimy natsahatro ny mianiana. Ny olona sasany mety manontany hoe inona ny maharatsy ny fianianana? Izaho manao izany foana. Angamba ianao koa manao izany, fa fotoana fijanonana amin’izany izao. Nanao fihaonana maro tamin’ny fangatahana asa aho, fa tsy nisy tale na indray mandeha aza, nanontany ahy raha mahay mianiana aho.

Taona vitsivitsy lasa izay, dia nanao fotoam-pivavahana miavaka izahay. Ny hariva manontolo dia naompana tamin’ny vavaka ho an’ireo izay te-hofenoina ny Fanahy Masina. Andro vitsivitsy talohan’io fotoana miavaka io, dia nisy ramatoa nanatona ahy nanao hoe: “Pastora Mike a, te ho feno ny Fanahy Masina aho.”Dia nibitsika ahy Andriamanitra, ka nilazako izy hoe: “Mbola tsy vonona ianao.”

“Ahoana?” Hoy izy.

Nazavaiko hoe: “Rehefa manao fotoam-pivavahana mikasika ny Fanahy Masina isika, dia hivavaka ho anao izahay. Fa mbola tsy vonona ianao. Mbola misy zavatra fikirinao — fahazarana

Page 140: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

140    

tian’Andriamanitra avotsotrao. Tsy ampy hetaheta an’Andriamanitra ianao. Fantatrao ve ilay tiany avotsotrao?”

Niondrika izy dia niteniteny hoe: “Pastora a, marina ny teninao. Mila miala amin’ny fianianana aho.”

Hoy aho hoe: “Tsara fiandohana ianao.”

Rehefa mamotsotra zavatra ianao, dia maneho amin’ny lanitra fa mila betsaka an’Andriamanitra. Tsy miady varotra Aminy ianao. Maneho ny fanirian-dalina mba ho lasa Azy manontolo ianao.

Inona ny fiovana entin’ny hoe feno ny Fanahy Masina? manome hery anao handaozanao ny fahazaran-dratsy izany, sy manome hery hahavitanao betsaka lavitra.

• Fanontaniana #4: Iza no mpirotsaka hofenoina ny Fanahy Masina?

Tao amin’ny fiangonana nahabe ahy dia nampianarina ahy fa ny Fanahy Masina dia niala ny trano. Teo Izy niaraka tamin’ireo Apostoly fa nandeha irery isika hatramin’ny taonjato voalohany no nankaty. Tsy fantatro izay nahazoan’izy ireo izany hevitra izany. Tena tsy ao anaty Baiboly izany ary tsy misy mpandinika Baiboly fantatro ka hampianatra izany hadisoana izany. Fa izany no nampianarina ahy. Rehefa misy olona miteny amiko hoe mila fenoina ny Fanahy Masina, dia izao no lazaiko aminy hoe: “Nandray an’i Jesosy aho hatramin’ny namonjena ahy. Ampy ahy izany.”

Namaly izy hoe: “Fa misy zavatrahafa noho izany! Hadinonao ny Fanahy Masina!”

Ny fomba fiheviny tsy mifanandrify aminy Teolojiako. Na izany aza taorian’ny nahafeno ny Fanahy Masina ahy, ka nanomboka namakiako ny Baiboly, dia nahita andalan-tSoratra Masina nanova tanteraka ny fiainako aho. Ohatra, nitantara i Lioka hoe:

Page 141: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

141    

“Fa ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an’izay rehetra lavitra na iza na iza antsoin’i Jehovah Andriamanitsika hanatona Azy.” (Asan’ny Apostoly 2:39)

Ny dikan’izany dia tsy nitsahatra tamin’ny fampijoroana ny fiangonana niandohana akory ny asan’ny Fanahy Masina!

Hanontany anao fanontaniana mamakafaka mihitsy aho, ary aoka ho tsotra ianao: Teo amin’ny fiainanao, nanana raiamandreny ve ianao? Na reny na ray? Mazava ho azy fa nanana ianao! Tsy nivoaka avy tao anaty atody akory ianao, ary tsy avy tany amin’ny planeta hafa! Manazava i Lioka fa nanana raiamandreny ianao, ho anao ny teny fikasana — na “hatramin’ireo rehetra izay lavitra aza”, na dia ireo izay any ivelany lavitra aza, ho anao izany!

Ny mpino rehetra ao amin’i Jesosy, ny olona rehetra nateraka indray, ny tsirairay izay natoky ny Ràny handoa ny sandan’ny fahotany — tsy miankina amin’ny karazany, toerana misy azy, zom-pirenena, na ota mahatsiravina nataony tamin’ny lasa — dia afaka ny hirotsaka ho feno ny Fanahy Masina avokoa. Izany dia midika fa ny mpino rehetra, raha afaka herintaona, raha afaka folo taona , raha afaka zato taona — raha miandry elabe toy izany ny Tompo — dia afaka mirotsaka ho fenoina ny Fanahy Masina. Io andinin-tsoratra masina io dia milaza hoe ho an’ny rehetra izay lavitra: arak’izay lavitra hitanao, na lavitra manahoana, ny olona rehetra dia afaka mirotsaka hofenoina io hery io, tahaka ireo mpianatra voalohany ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly.

•Fanontaniana #5: Tsy nandray ny Fanahy Masina angaha aho fony novonjena na nateraka indray?

Hoy i Jaona Mpanao Batisa hoe:

Page 142: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

142    

“Izaho manao batisa anareo amin’ny rano. Fa ilay avy aoriako no mahery noho izaho, ka tsy miendrika hamaha ny fehin-kapany aza aho. Izy no hanao batisa anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo.”(Matio 3:11)

Misy roa ny batisa: ny iray amin’ny rano ary ny iray amin’ny Fanahy masina sy ny afo. Nahoana moa no afo? Satria indraindray dia misy zavatra eo amin’ny fianantsika ilaina dorana. Nisy mpaminanin’ny Testamenta Taloha, i Malakia, izay nanazava fa entin’Andriamanitra mamakivaky ny afo isika, mba hahalevona ny fahazaran-dratsy.

Rehefa tonga Kristiana isika, dia tonga ny Fanahin’ Andriamanitra monina ao am-pontsika. Amin’ny Kristiana sasany ny Fanahy Masina dia mponina fa tsy nataontsika ho filohantsika. Raha nanoratra ho an’ny Efesiana i Paoly mba hofenoina ny Fanahy Masina izireo - Kristiana no nanoratany- fa maro tamin’izy ireo no tsy feno ny Fanahy. Isan’andro, ny fiankinana lalina amin’Andriamanitra dia manome ny Fanahy fahafahana hanao izay tiany.

• Fanontaniana #6: Inona no tokony ataoko mba hahatonga ahy ho feno ny Fanahy?

Ireo toko fanokafana ny Asan’ny Apostoly dia milaza amintsika betsaka mikasika ny anjara toerana sy ny asan’ny Fanahy Masina.

Taorian’ny nahafeno ny Fanahy ireo 120 mianadahy tao amin’ny efitrano ambony, dia nitory teny i Petera ary 3000 ny olona nitoky tamin’i Kristy. Hoy izy tamin’izy ireo hoe:

“Mibebaha ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy hianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary hianareo handray ny fanomezana dia ny Fanahy Masina.”(Asan’ny Apostoly 2:38)

Page 143: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

143    

Tsy vaovao tsara ve izany? Ny fanomezan’ny Fanahy Masina no fampanantenan’Andriamanitra. Ny ‘hany ataoko mba hofenoina ny Fanahy Masina dia ny mibebaka amin’ny fahotako, mandray an’i Jesosy eo amin’ny fiainako, dia homena ahy ny tontolon’ny hery. Tahaka ny ahoana moa izany hery izany? Hazavain’i Paoly fa ny hery azon’ny Kristiana rehetra raisina dia:

“...araka ny fiasan’ny herin’ny faherezany, izay nataony tao amin’i Kristy tamin’ny nanaganany azy tamin’ny maty sy ny nampitoerany azy eo amin’ny tanana ankavanana any an-danitra, ambony lavitra noho ny fanapahana rehetra sy ny fahefana sy ny hery sy ny fanjakana ary ny anarana rehetra izay tononina, tsy amin’izao fiainana izao ihany fa amin’ny ho avy koa.”

(Efesiana 1:19-21)

Isika tsy nomena hery efa ‘friperie’. Ny raisintsika dia ilay hery nampiasian’Andriamanitra nanaganana an’i Jesosy tamin’ny maty! Tsy mampino!

Ny torohevitra nomen’i Petera ireo mpino vaovao tamin’ny andro Pentekosta dia ny ibebahany sy ny anaovana batisa azy ireo. Misy ny olona sasany tsy mahazo ny antony iresahako ny batisan’ny rano isaky ny fivoriana ato am-piangonanay. Manao batisa olona eo amin’ny dimy ambiroapolo ka hatramin’ny

telopolo eo isam-bolana eo ho eo izahay. Nahoana? Satria i Petera nilaza fa tokony hatao batisa isika. Io no hetsi-pankatoavana ataonao voalohany. Izany dia milaza amin’izao tontolo izao sy ny olona rehetra fantatrao, fa tsy ianao intsony no tompon’andraikitra; hanaraka an’i Jesosy amin’ny fonao rehetra ianao.

Page 144: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

144    

Fa ahoana raha tsy atao batisa ianao? Misy akony ve? Aleo ilazako tantara ianao.

Nanatrika fitoriana lehibe aho indray andro, izay nampiasan’ Andriamanitra an’i Colonel Johann Schonken hanao fahagagana. Nivavaka ho an’ilay ramatoa iray izay izy, fa nijanona kely ary nanao hoe: “ Ramatoa, tsy hanasitrana anao anio alina ny Tompo.” Nijanona izy dia nanontany hoe: “Efa vita batisan’ny rano ve ianao?”. Dia namaly izy hoe : “Tsia”

Hoy Izy: “ Aoka hatao batisa amin’ny rano ianao, dia hositranin’Andriamanitra ny vatanao”.

Ny batisan’ny rano dia mamoha ny sehatra rehetra ho anao satria hetsika fankatoavana izany. Na inona na inona hetsika fankatoavana arahintsika avy ao amin’ny Baiboly dia mitondra valisoa lehibe izany.

• Fanontaniana #7: Hafiriana no tsy maintsy iandrasako mba handraisako ny batisan’ny Fanahy Masina?

Ny Baiboly dia miresaka fomba maro nahafeno ny Fanahy Masina ny olona. Ny fanazavana voalohany dia izao: ny fahafenoana ny Fanahy Masina dia asan’Andriamanitra amin’ny maha-masi-mandidy azy. Hoy i Lioka amintsika hoe:

“...tampoka...samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra...”(Asan’ny Apostoly 2:1-4)

Azonao an-tsaina ve? Olona roapolo amby zato no nitsangana teo amin’ny fitoerana iray, izy rehetra ireo mitovy zava-kendrena, nidera an’Andriamanitra izy rehetra — ary niasa namakivaky izany toerana izany ny Fanahin’Andriamanitra ary feno ny Fanahy Masina izy rehetra.

Tsy misy valaka amin’izany, i Paoly dia nahatsapa ny fahafenoan’ny Fanahy Masina tao anaty fotoana tampoka. Mitantara ny zava-nitranga i Lioka:

Page 145: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

145    

“Paoly sitrana sy feno ny Fanahy Masina teo noho eo”(Asan’ny Apostoly 9:17)

Hafiriana no tsy maintsy niandrasany? Teo noho eo ilay izy! Ary afaka ny hitranga eo noho eo koa eo amin’ny fiainanao.

DINGANA MANARAKA

Hatreto dia manantena aho fa vonona handray ny fampanantenana ny Fanahy Masina ianao. Aleo aho hizara toro-hevitra kely telo:

1. Manatona eo amin’ny Tompo miaraka amin’ny fiandrandrana fa hofenoina.

Ianao ve efa nandeha fiara nandalo trano fisakafoana mitandahatra ary manomboka maneno ny kibonao? Renao ny fofona masikita na tratran-kena mbola tsy nandramanao hatrizay, ka tsy andrinao izay andoahana izany! Arakaraky ny anakekezanao ny trano fisakafoana no itsofohan’ny fofona any amin’ny tenanao, ary manomboka mitelin-drora ianao. Vao mitsofoka ao amin’ny tobim-piarakodia ianao, dia ohatran’ny elabe vao tafavoaka avy ao

MITSANGAM-BOLO AMIN’NY FAHAFENOAN’NY FANAHY MASINA 145

anaty fiara. Azonao an-tsaina ny tsiron’ireo tratran-kena ireo. Ny hanoananao no mandresy ny zavatra andrandrainao.

Page 146: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

146    

Indraindray aho mijery vahoaka be dia mahita fa ny olona sasany mangetaheta bebe kokoa ho an’Andriamanitra. Tsorina fa misy olona mankany am-piangonana, izay tsy dia miraharaha izay homen’Andriamanitra azy. Zavatra hafa no eritreretiny. Fa vitsy ny hoe tsy andriny izay ho atolotr’Andriamanitra azy. Miandrandra an’Andriamanitra hanao zavatra miavaka eo amin’ny fiainany eo noho eo, amin’io fotoana io, izy ireo.

Mila io karazana fiandrandrana io isika rehefa mangataka ny Fanahy hameno antsika.

2. Ialao ny hoe tsy mety ho tena masina tsara mihitsy ianao.

Miezaka mandresy lahatra antsika ny devoly fa tsy tsara isika, tsy mahay, ary tsy mendrika ny hofenoina ny Fanahy Masina. Marina ny azy. Tsy mendrika isika, fa tsy noho ny fahamarinantsika no iangaviantsika an’Andriamanitra. Manana Mpisolovava isika, Izay mifona ho antsika, eo anoloan’ny Ray, dia Jesosy Kristy Izay marina.(I Jaona 2:1-2).

Tsy misy olona tena masina tanteraka. Na i Billy Graham, na Reny Theresa, na izaho na ianao. Efa ampolo taona maro no naha-Kristiana ahy, ary nitory teny tamin’ny ankamaroan’ireo taona ireo, fa mbola tsy mety masina tanteraka. Rehefa tonga Kristiana isika, dia mbola ao ilay “toetra taloha” ary ny tena izy dia miha-ratsy isan’andro (Efesiana 4:22)!

Isaky ny fotoana, isan’andro, dia matoky ny Fanahy Masina hanome antsika fahendrena sy hery hanaovantsika safidy tsara kokoa isika, eo “am-panesorana” ny fahazarana misy fitiavan-tena, manimba, feno fireharehana, ary “miakanjo” indrafo, fitiavana, fifaliana, ary hery. Fa ety amin’ity lafiny anankiray amin’ny lanitra ity, dia tsy ho tena lasa afaka amin’ny fisian’ny ota isika. Amin’ny maha-Kristiana antsika dia afaka tamin’ny fanamelohan’ ny fahotana isika, afaka tamin’ny herin’ny ota, ary indray androany dia ho afaka amin’ny fisian’ny ota.

Tsy  hety  ho  masina  tanteraka  ianao,  fa  afaka  ny  hangetaheta  tanteraka.  

Page 147: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

147    

Mitokisa amin’izany! Ny mamongotra ny ota amin’ny fiainantsika dia tahaka ny baolina fasian-tsakafo ratsy sarona, izay tapenanao ny lafiny iray fa miporitsaka ny avy ao amin’ny lafiny iray. Voafehinao ny fahazarana iray fa mipoitra ny lafiny iray. Dia hoy ianao hoe: “Fa inona no mitranga? Izaho nihevitra fa voafehiko izany!”

Tsy hety ho masina tanteraka ianao, fa afaka ny hangetaheta ny ho masina. Aoka hitsotra amin’Andriamanitra ny amin’ny ota sy ny tsy fahombiazana. Ambarao Azy isan’andro hoe: “ Tompo ô, diovy aho, ary sasao amin’ny rànao. Tompo ô, fantatro fa manana sain- dratsy aho. Fantatro fa miteny zavatra adaladala foana aho, fa izao Tompo ô, mangetaheta be kokoa Anao aho.”

“...ireo izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana fa izy no hovokisana” (Matio 5:6).Ireo izay mangetaheta an’Andriamanitra dia hahita Azy amin’ny fahafinaretana. Aoka hangetaheta, dia aoka hitoetra amin’izany.

3. Raha mangataka an’Andriamanitra hanao zavatra tsy nataony hatrizay ianao, dia hasainy hanao zavatra tsy mbola nataonao hatrizay.

Ao  amin’ny  fiangonanay  dia  nizara  teboka  kely  mena  azo  araikitra  aho. Nasaiko napetaky ny olona eo an-tsisin’ny fitaratra, amin’ny solosaina, ny findainy, sy ny toerana hafa izany, mba ho hitany isan’andro. Nolazaiko azy ireo hoe isaky ny mijery ny teboka mena izy ireo dia tokony hiteny ireto teny ireto : “Tompo ô, mamelà ny heloko. Sarony ny Rànao aho, ary fenoy ny Fanahinao.”  Mariho ny fifampitohizany:

1) Mamelà ny heloko. Izay no tsy maintsy takiana mialoha mba hahafeno ny Fanahy Masina anao.

2) Saróny ny Ranao aho. Ity no tena manan-danja indrindra satria raha mbola mangataka famelan-keloka aho, dia lazain’ny Baiboly, fa havela heloka aho. Na izany aza, ny devoly, ilay mpiampanga ny

Page 148: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

148    

rahalahy, dia tonga mampisongadina izany ota izany ka mahatonga ahy tsy hieritreritra afa-tsy iny ota iny. Izy dia tapi-pahaizana amin’ny fikikisana antsika amin’ny otatsika, ka mahatonga antsika mihevitra fa tsy mendrika ny hirotsaka hofenoina ny Fanahy Masina. Narian’Andriamanitra any an-dranomasin’ny fanadinoana ny otatsika. Mivavaka aho mba hosaronany ny ràny ny saiko, mba tsy hahafahan’ny mpiampanga hitaritarika ireo ota ireo hiverina sy hanafoana ny fahatsapako fa vita batisan’ny Fanahy Masina aho.

3) Fenoy ny Fanahinao aho. Ambaran’ny Baiboly amintsika hoe: “Tsy manana hianareo, satria tsy mangataka amin’Andriamanitra (Jakoba 4:2). Ny Baiboly koa dia milaza hoe:

“fa iza moa aminareo izay ray, raha angatahan’ny zanany ...hazandrano, no hanome azy menarana..., tsy mainka va ny Ray, izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka Aminy!”(Lioka 11:11, 13b)

4) Fisaorana sy fiderana. Ankehitriny dia farano amin’ny fotoana fisaorana sy fiderana fotsiny ny vavakao. Isaory Andriamanitra fa mameno anao amin’ny Fanahy Masina Izy ary misaora an’i Jesosy

5) amin’ny fonao, ainao, sainao ary ny tenanao rehetra.

6) Fiandrandrana. Aoka hiandrandra fa hameno anao ny Fanahy Masina. Raha mivavaka toy izany ianao, dia hisy zavatra hitranga.

7) Maka teboka mena, dia apetaho iny ho fampahatsiarovana hivavaka. Satria mikatsaka an’Andriamanitra ianao dia aza gaga raha hasainy manao zavatra tsy mahazatra anao. Raha nanaiky hivoaka ny lanitra Jesosy ka nankety an-tany sy maty, dia ilaina manaiky hiampita arabe haneho halemem-panahy amin’ny mpifanolo-bodirindrina ianao—indrindra fa ilay manorisory iny indrindra..

8) Indraindray Andriamanitra dia mitarika antsika hangady fotoana betsaka hitadiavana azy feno. Mety hotarihiny hifady hanina ianao.

Page 149: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

149    

Angamba ianao mila mandingana sakafo indray mandeha mba hananana fotoana ivavahana hoe:”Andriamanitra o, mila anao bebe kokoa aho, ka afoiko ity sakafo indray mandeha ity.” Raha tianao ny hahazobebe kokoa an’Andriamanitra, dia mahafoiza zavatra. Ho talanjona ianao amin’ny zavatra hataon’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao.

Eritrereto izay...

1. Inona ireo sasantsasany amin’ny marika ahalalana fa mangetaheta an’Andriamanitra ny olona iray?

2. Ahoana no ahazoanao milaza fa feno ny Fanahy Masina ianao?

3. Inona avy ireo zava-mibaribary sasany anehoana fa nomena antsika ny herin’Andriamanitra ?

4. Ahoana no anomezan’ny Fanahy Masina antsika hery amokarantsika ny vokatry ny Fanahy?

5. Inona avy ireo fomba sasany ampiasain’Andriamanitra ny fahoriana hanadio ny antony manosika antsika hanao zavatra, hampahatanjaka ny fotsika, ary ny hanome antsika indrafo ho an’ny hafa izay maratra?

6. Inona no azonao afoy mba handanianao fotoana bebe kokoa hanarahana an’Andriamanitra?

Page 150: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

150    

FAMPIASANA NY BITSIK’ANDRIAMANITRA ANY AM-PIANARANA SY NY VONDRONA

Ity boky ity dia natao ho fianaran’olon-tokana, vondrona kely ary ny lakilasy. Ny fomba tsara indrindra hitrohana sy hampiharana ireo fitsipika ireo dia ny ianaran’ny tsirairay sy ny hamaliany ireo fanontaniana isaky ny faran’ny toko, dia avy eo mandinika izany na any an-dakilasy na any amin’ny tontolon’ny vondrona.

Ireo fanontanian’ny toko tsirairay dia natao hampisondrotra ny fisaintsainana, fampiharana, ary ny fifampidinihana. Mangataha boky ampy mba hananan’ny tsirairay . Ho an’ny mpivady, dia ampaherezo samy hanana ny bokiny, mba hahafahany mitahiry ny fandinihany manokana.

Azo atao toy izao ny fandaharam-potoanan’ny vondrona na ny lakilasy:

Herinandro 1 Ampahafantaro ny boky. Amin’ny maha-mpitarika vondrona anao, dia tantarao ny tantaran’ny fankatoavanao ny bitsik’ Andriamanitra, zarao amin’ny vondrona ny fanantenanao, ary omeo boky

Page 151: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

151    

ny olona tsirairay. Ampaherezo hamaky ny toko atao isaky ny herinandro sy hamaly fanontaniana ny olona.

Herinandro 2-9 Isan-kerinandro dia ampahafantaro ny toko hatao amin’io herinandro io, ary zarao izay tantara nampiasan’Andriamanitra ireo fitsipika ireo, teo amin’ny fiainanao. Ao amin’ny vondrona kely, dia tariho amin’ny dinika mikasika ireo fanontaniana ao

amin’ny faran’ny toko ny olona. Ao an-dakilasy, dia ampianaro ireo fitsipika isaky ny toko, mampiasa ohatra anao manokana, ary tariho amin’ny dinika.

ATAOVY ANAO MANOKANA NY LESONA TSIRAIRAY

•Aoka tsy hahatsiaro tena ho voatery hijery ny fanontaniana rehetra ao amin’ny diniky ny vondrona misy anao. Mifidiana telo na efatra izay nanana akony lehibe indrindra teo aminao, dia ireny no ifantohy, na asaivo mizara ny valin’ny fanontaniana izay mavesa-danja taminy nandritr’iny herinandro iny izy ireo.

•Ataovy azo antoka fa raisinao ho anao ireo fitsipika sy fampiharana. Fara-faharatsiny indray mandeha isaky ny fivorian’ny vondrona, dia ampio ny tantaranao manokana, ho modely amin’ny teboka iray miavaka.

•Ataovy tahaka ny velona ny Soratra Masina. Matetika loatra isika mamaky Baiboly toy ny hoe boki-na telefaonina, zara na tsy misy fientanam-po mihitsy aza. Lokoy ataovy sary velona ho an’ny olona izany. Manomeza fahalalana mikasika ny tontolo manodidina ny olona nihaona tamin’Andriamanitra, ary ampio ny olona ao amin’ny kilasy na ny vondrona misy anao hahatsapa fientanam-po manokana isaky ny seho.

Page 152: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

152    

MIFANTOHA AMIN’NY FAMPIHARANA

Ireo fanontaniana ao amin’ny faran’ny toko tsirairay sy ny fampaherezanao ny olona ao anaty vondrona mba tsy ho kisarisary, dia hanampy ny vondrona misy anao hanao dingana lehibe hampihatra ireo fitsipika nianarany. Zarao ny fomba ampiharanao ireo fitsipika, indrindra ireo toko isan-kerinandro ary ampaherezo koa izy ireo hanao dingan’ny fitomboana.

KARAZANA FANONTANIANA TELO

Raha nitarika vondrona nandritra ny taona vitsivitsy ianao, dia efa azonao ny maha-zava-dehibe ny fampiasana fanontaniana malalaka, handrisika ny dinika.Ireo karazam-panontaniana telo ireo dia mamaritra, mitarika ary manokatra. Maro amin’ireo fanontaniana ao amin’ny faran’ny lesona isan’andro no fanontaniana malalaka.

Ny fanonaniana mamaritra dia mifantoka amin’ny valiny misongadina, toy ny hoe: “Inona no iantsoan’i Jesosy ny Tenany ao amin’ny Jaona 10:11?” Ireo tsy mamporisika fisaintsainana na dinika. Raha te-hampiasa fanontaniana toy izany ianao, dia araho miaraka amin’ny fanampiana ny olona mba hanana hevitra, sokafy ny fanontaniana.

Ny fanontaniana mitarika dia mitaky ny mpihaino hamantatra izay ao an-tsain’ny mpitarika, toy ny hoe: “ Nahoana Jesosy no nampiasa ny sarin’ny mpiandry ondry ao amin’ny Jaona 10?” (Mety mieritreritra ilay lahatsoratra ao amin’ny ao amin’i Ezekiela angamba izy, fa maro ny olona no tsy mahalala izany.) Ny mpampianatra izay mametraka fanontaniana mitarika, dia efa manana valiny voafaritra ao an-tsainy. Raha tokony hametraka ity karazam-panontaniana ity izy, dia tokony ho nampianatra ny tiany lazaina ary angamba nametraka fanontaniana misokatra mikasika ny teboka nataonao.

Page 153: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

153    

Ny fanontaniana misokatra matetika dia tsy manana valiny marina na diso. Mandrisika hieritreritra izy ireny, ary tena tsy mampahatahotra velively, satria izay olona mamaly dia tsy atao tsinontsinona, raha mandiso. Ireo fanontaniana ireo matetika dia manomboka amin’ny hoe: “Nahoana ianareo no mihevitra...?” na “Inona no antony sasany maha...?” na “Inona no tsapanareo raha ianareo no teo amin’izany zava-misy izany?

Page 154: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

154    

FANOMANANA

Rehefa miomana hampianatra ity boky ity ao amin’ny vondrona na lakilasy ianao, dia ataovy an-tsaina ireto dingana ireto:

1. Vakio tsara sy saintsaino ny boky. Mandraisa fanamarihana. Asongadino ny ampahany manan-danja, ny famerenana ny teny, na ny tantara, ary fenoy ny tapany misy saintsainina ao amin’ny faran’ny toko tsirairay. Amin’izay dia tsy vaovao aminao ny sary manontolo ao amin’ny ventin-kevitra.

2. Satria ianao manomana ny lakilasy isa-kerinandro na ny vondrona, dia vakio indray ny toko mifanaraka amin’izany ary manaova fanamarihana fanampiny.

3. Sorito araka ny fotoana natao ho amin’izany ny haben’ny ventin-kevitra. Tsyhanana fotoana ho an’ny fanontaniana rehetra ianao , koa raiso izay tena mivoitra.

4. Ampio ny tantaranao manokana mba ho fantatra ny tompon’ny tantara, dia ampio akony.

5. Aloha sy mandritry ny fanomanana, dia mangataha fahendrena, fanazavana ary hery amin’Andriamanitra. Matokia Azy hampiasa ny vondrona misy anao, hanova ny fiainan’ny olona.

6. Ny ankamaroan’ny olona dia ho lasa lavitra kokoa hivoaka ny vondrona, raha mamaky ny toko sy mameno ny fisaintsainana isa-kerinandro izy. Omàny ny boky alohan’ny anombohan’ny vondrona na ny lakilasy na aorian’ny herinandro voalohany.

Page 155: The God Nudge by Mike Robertson translated into Malagasy

155