194
Z ATOVOVAVY BOKY FAMPIANARANA 3

Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

Embed Size (px)

Citation preview

Page 1: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

ZATOVOVAVY

BOKYFAMPIANARANA

3

Page 2: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

Zatovovavy, boky fampianarana 3

Navoakan’ ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany Salt Lake City, Utah1994 an’ ny Intellectual Reserve, Inc.

Page 3: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

Zo rehetra voatokanaNatonta tany Etazonia Amerika.Fankatoavana ny amin’ ny teny Anglisy: 1/92Fankatoavana ny fandikan-teny: xx/xxFandikana ny Young Women 3Malagasy

Page 4: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

iii

Votoatiny

Filaharana sy lohatenin’ ny lesona Pejy

Fampidirana v

Fiaina amin’ ny maha-zanakavavin’ Andriamanitra 1

1 Andriamanitra Ray 2

2 Manao izay ahafantarana ny Mpamonjy 7

3 Miaina ny filazantsara isan’ andro 11

Fanatontosana ireo anjara asa nomen’ Andriamanitra ny vehivavy 15

4 Miomana mba ho tonga vady mandrakizay 16

5 Manorina tontolo ara-panahy ao an-tokantrano 19

6 Ny andraikitry ny vehivavy hampianatra 23

7 Ny tanjontsika eo amin’ ny fiainana 27

Fandraisana anjara amin’ ny fiainam-pianakaviana 31

8 Ny fianakaviana mandrakizay 32

9 Manentana ny firaisan’ ny fianakaviana 36

10 Manetsiketsika fiaraha-mientana mahafinaritra ny mpianakavy 39

11 Ny fifandraisana amin’ ireo havana 43

Fianarana momba ny fisoronana 47

12 Ny fitahiana amin’ ny fisoronana 48

13 Afaka mitahy ny fianakaviana ny fisoronana 52

14 Manana lova maha finaritra isika 56

Fianarana momba ny tetiarana sy ny asan’ ny tempoly 61

15 Ny fitahiana ho an’ ny Mpianakavin’ i Isiraely 62

16 Ny fanafiana masina any amin’ ny Tempoly 66

17 Miomana hankany amin’ ny Tempoly 70

18 Ny fanambadiana any amin’ ny Tempoly 74

19 Ny lova 78

Fandraisana anjara amin’ ny asa fitoriana 83

20 Ny fahafantarana ny andraikitry ny misiônera 84

21 Mianatra mizara ny filazantsara 88

Fivoarana ara-panahy 93

22 Fomba fijery mandrakizay 94

23 Ny fandresena ny fifanoherana 98

24 Ny safidy 103

Page 5: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

iv

25 Ny fankatoavana 107

26 Ny fibebahana 111

27 Ny famelana ny tena 114

28 Ny fanokanana sy ny fanaovana sorona 118

29 Ny fiovam-po 122

30 Ny fandalinana ny Soratra Masina 125

31 Ny fanompoana ao am-piangonana 129

32 Ny fanompoana ao amin’ ny fiarahamonina 133

Miaina fiainana feno hasina 137

33 Manana toe-panahin’ Andriamanitra sy maharitra mandrakizay ny olona tsirairay 138

34 Ny fifadiana ny tsy fahamarinan-toetra 142

35 Ny fanapahan-kevitra hiaraka amin’ ny olona iray 145

36 Ny fenitra amin’ ny fanambadiana 148

37 Ho fenitra ny tenin’ Andriamanitra 151

Ny fitandroana ny fahasalaman’ ny vatana 157

38 Ny fomba tsara mitondra fahasalamana 158

Fivelarana eo amin’ ny lafiny sosialy sy eo amin’ ny toe-po 161

39 Ny fahafantarana ny hasin’ ny tena 162

40 Ny fitiavana ny tena sy ny hafa 166

41 Azo ianteherana 169

42 Fiomanana amin’ ny fiovana 173

43 Ny fifandraisana amin’ ny hafa 176

Fitantanana ny fananan’ ny tena 181

44 Ny fisorohana ny fametrahana olana eo amin’ ny fiainana 182

45 Ny fifidianana ny asa tiana hatao 185

46 Ny fitantanam-bola 188

Fampivelarana ny fahaiza-mitondra olona 191

47 Hafatra avy amin’ ireo Mpaminanin’ ny Andro Farany 192

48 Ho an’ ny Mpampianatra: Fanomanana Lesona avy ao amin’ ny Lahateny tamin’ ny Fihaonambem–piangonana 197

Sary 199

Page 6: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

v

Fampidirana

Ity boky fampianarana ity dia natokana ho an’ ny zatovovavy roa ambin’ ny folo ka hatra-min’ ny fito ambin’ ny folo taona ao amin’ ny Fiangonana. Amin’ ny alalan’ ny fianaranaireo lesona ato amin’ ity boky fampianarana ity, dia tokony hahalala bebe kokoa ny drafi-try ny Tompo ho azy ireo ny zatovovavy tsirairay, ary ho afaka hanompana bebe kokoa nysafidiny manokana sy ny fitondrantenany amin’ ny fitsipiky ny filazantsara.

Ny Loholona M. Russell Ballard dia nanoro hevitra hoe: “Ny mpampianatra dia tokony ho notoroina hevitra mba handalina tsara ny soratra masina sy ny boky fampianaran’ izyireo alohan’ ny hitadiavana fanampim-pitaovana. Betsaka amin’ ny mpampianatra no toamihataka amin’ ireo fitaovam-pampianarana izay efa nankatoavina ary tsy mamerina mije-ry tanteraka izany akory. Raha mahatsapa ny mpampianatra fa mila mampiasa fanampinafitaovana tsara ankoatra ny soratra masina sy ny boky fampianarana amin’ ny fanoloranany lesona, dia tokony heverin’ izy ireo aloha ny hampiasa ny gazetibokim-piangonana”(tao amin’ ny Conference Report, Apr. 1983, p. 93; na Ensign, Mey 1983, p. 68).

Ity boky fampianarana ity dia mizara toy izao manaraka izao:

Fiaina amin’ ny maha-zanakavavin’ Andriamanitra

Fanatontosana ny anjara asa nomen’ Andriamanitra ny vehivavy

Fandraisana anjara amin’ ny fiainam-pianakaviana

Fianarana momba ny Fisoronana

Fianarana momba ny Tetiarana sy ny asan’ ny Tempoly

Fandraisana anjara amin’ ny asa fitoriana

Fivoarana ara-panahy

Miaina Fiainana feno hasina

Ny fitandroana ny fahasalaman’ ny vatana

Fivelarana eo amin’ ny lafiny sosialy sy eo amin’ ny toe-po

Fitantanana ny fananan’ ny tena

Fampivelarana ny fahaiza-mitondra olona

Ny fizarana tsirairay dia ahitana fitsipika mifandray sy manamafy izany mba hahafahan’ ny zato-vovavy mahafantatra sy mampihatra ireo fitsipika ireo. Rehefa mampianatra ireo fizarana ireo,dia fantaro ny zavatra ilain’ ny zatovovavy ao amin’ ny kilasinao amin’ ny alalan’ nyfanontaniana ny tena araka ireto manaraka ireto:

Inona ny olana atrehan’ izy ireo?

Inona no lesona efa vitan’ izy ireo teo aloha momba io foto-kevitra io?

Inona no efa fantatr’ izy ireo momba io foto-kevitra io?

Iza amin’ ireo lesona ireo no mifanaraka kokoa amin’ izay ilain’ izy ireo?

Rehefa nohadihadinao tsara ny zavatra ilain’ ireo zatovovavinao, dia ianaro ny lohatenin’ny lesona sy ny tanjon’ ny lesona tsirairay mba hanapahanao hevitra ny amin’ izay lesonamifanaraka kokoa amin’ ireo filana ireo. Amin’ ny alalan’ ny fanomanana mialoha, dia hoazonao toky fa handray lesona avy amin’ ny fizarana rehetra ny zatovovavy, ary hanomefampianarana feno sy mifandanja ianao.

Fitaovana Ampiasao ireto fitaovana manaraka ireto amin’ ny fanomanana ny lesonao:

Ny soratra masina: Ny fototra tena ilaina amin’ ny fampianarana dia ny soratra masina.Entano ny zatovovavy mba hitondra ireo soratra masina nankatoavina any an-dakilasyisan-kerinandro.

Fampianarana isaky ny fizarana

FANAZAVANAANKAPOBENY

Page 7: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

vi

Ampiasao amin’ ny lesonao isan-kerinandro ny soratra masina. Raha voafetra ny fotoana na tsy mihaino ny mpianatra, dia fidio ireo toko sy andininy izay mahomby indrindra.Mandritra ny fanomananao, dia mety ho tonga ho fitaovam-pampianarana manan-keryny soratra masina.

Ny zatovovavy ao amin’ ny kilasinao dia tokony samy hamaky ao amin’ ny soratra masina saika mandritra ny lesona rehetra. Entano izy ireo amin’ ny alalan’ ny fanomezanafanontaniana na fanolorana olana. Mety ho tianao ny hanoratra eny amin’ ny solaitrabe ireotoko sy andininy ao amin’ ny soratra masina mba hahafantaran’ ny zatovovavy izay tokonyhojerena. Mazàna dia tokony hanome fanontaniana ianao alohan’ ny hamakiana ny soratramasina. Raha tsy izany, dia manjary miverina mamaky ilay soratra masina ny zatovovavyvao afaka mamaly ny fanontaniana. Indraindray dia mety hanome valiny marina amin’ nyfomba fiteniny azy ny zatovovavy iray, na dia tsy mijery ilay andalana ao amin’ ny soratramasina aza. Raha mitranga izany, dia manomeza fanampim-panontaniana mba hamakia-ny ny soratra masina, ohatra: “Ahoana no fomba nilazan’ i Paoly izany?” na “Inona nofanampim-pahalalana azontsika avy amin’ io andalana io?’

Alohan’ ny hanentananao ny zatovovavy hazoto amin’ ny fandalinana ny soratra masina,dia tokony hazoto amin’ izany aloha ianao. Miomàna amin’ ny alalan’ ny fandalinana,vavaka, ary fandinihana ireo andalana izay hohadihadinao ao an-dakilasy

L’ Enseignement—Pas de plus grand appel(33043) dia fitaovana sarobidy ho an’ ny mpam-pianatra rehetra. Mirakitra soso-kevitra momba ny fanomanana lesona sy ny fiomanana ara-panahy ary ny fomba fampianarana samihafa izany, toy ny tantara an-tsehatra, fifanakalozan-kevitra mizarazara anaty tarika, fanontaniana, fanazavana eny amin’ ny solaitrabe, fanazavana amin’ ny alalan’ ny fampiasana zavatra, ary fampan-draisana anjara ny mpianatra amin’ ny lesona. Mirakitra torohevitra momba ny fifeheza-na ny fitondrantena ao an-dakilasy sy ny fanomanana ny trano fianarana ary ny fampi-voarana ny fahaiza-mampianatra ihany koa izany. Ampiasao izany mba ho fanampianaamin’ ny fanomanana sy ny fampianarana ny lesona.

Gazetibokim-piangonana: Ny Gazetibokim-piangonana dia mirakitra filazalazana sy tantara izay mety hanatsarana ny fitaovana ao amin’ ny lesona.

Ny lesona tsirairay dia ahitana izao manaraka izao:

1. Tanjona. Izany dia manambara ny anton’ ny lesona—izay tianao ho fantatry ny zato-vovavy na tianao hataony mba ho vokatr’ ilay lesona.

2. Fanomanana. Tafiditra ao anatin’ izany ireo fitaovana ilaina mba hanolorana ny lesona,toy ny sary, taratasy misy fanazavana izay zaraina, ary andraikitra izay ilaina hovitainamialoha. Ny ankamaroan’ ny sary izay angatahina dia hita any amin’ ny faran’ ny bokyfampianarana. Ireo isa ao anaty fonon-teny dia entina milaza fa ilay sary dia avy aoamin’ ny tranom-bokim- piangonana. Tsy azo ongotana hiala amin’ ny boky fampiana-rana ny sary. Ireo taratasy misy fanazavana izay zaraina dia hita any amin’ ny faran’ nylesona. Azonao atao, raha tianao, ny manao dika mitovy amin’ izany ho an’ ny mpiana-tra. Ny ankamaroan’ ny lesona dia mitaky soratra masina, tsaoka, ary solaitrabe.

3. Soso-kevitra hamelabelarana ny lesona. Ny fanamarihana eo amin’ ny lafiny havia diamanoro hevitra ny amin’ ny fomba fampianarana, ary ny vatan’ ny lesona dia mampi-seho ireo fanazavana izay hampianarina. Avy amin’ ireo fanazavana izay nomena, diafanteno ireo fitaovana sy fomba tena tsara izay mifanaraka amin’ ny ilain’ ny zatovo-vavinao ao anatin’ ny fotoana izay ananana. (Raha ilaina dia azo alavaina mihoatra nyfotoam-pampianarana iray ny lesona.)

Ny vatan’ ny lesona dia ahitana ireto manaraka ireto:

a. Fampidirana. Ity no fomba atolotra hanombohana ny lesona sy mba hisintonana ny saina sy ny fahalianan’ ny mpianatra.

b. Lohateny. Ny fizarana tsirairay ao amin’ ny lesona dia ahitana ireo hevi-dehibe.Ampianaro ny fizarana tsirairay amin’ ny alalan’ ny fampiasana ny soratra masina,tantara, teny nindramina, ary ireo fampiasana nomena.

c. Famaranana. Io no manome ny famintinana ny lesona, ary manoro hevitra ny amin’ ny fizarana ny fihetseham-po momba ny fitsipiky ny filazantsara nohadihadina sy ny fijoroana ho vavolombelona momba ilay fitsipika.

NY FIRAFITRY NY LESONA

Page 8: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

vii

d. Fampiharana ny Lesona. Io dia manome soso-kevitra momba ny tetik’ asa, andraikitra, na tanjona hanampy ny zatovovavy tsirairay hampihatra izay fitsipika nohadihadina eo amin’ ny fiainany. Raha azo atao, dia afaka manome fotoana ianao amin’ ny fanom-bohan’ ny fotoan-dakilasy manaraka mba hizaran’ ny zatovovavy ny traikefany. Afaka milaza ianao hoe: “Tamin’ ny herinandro lasa dia niresaka momba ny isika.Nanandrana izany ve ianao? Ahoana ny fihetseham-ponao momba izany?” Raha tsymamaly ireo zatovovavy amin’ ny voalohany, dia afaka milaza ianao hoe: “Nanandranaizany aho, ary izao ny zava-niainako”. Amin’ ny alalan’ ny fizarana ny zavatra tsaraniainanao, dia afaka manampy ny zatovovavy ianao hianatra izay fomba hampiharanaireo fitsipika ireo eo amin’ ny fiainany.

e. Soso-kevitra amin’ ny fampiasana. Ireo dia fampiasana mifandray izay azo omanina mbahampitomboana sy hanamafisana ny fitsipiky ny filazantsara

Ny tantara sy ohatra omena ao amin’ ny lesona dia natao hanampiana ny zatovovavymba hahafantarany ny fomba hampiharana ireo fitsipiky ny filazantsara nampianarina eo amin’ ny fiainany andavanandro. Rehefa nitondra am-bavaka ny fanomananao syfanoloranao ny lesonao ianao dia mety hahatsiaro ho voasarika hanolo ireo tantara syohatra amin’ izay niseho taminao manokana na avy amin’ ny loharano azo antoka irayhafa izay mahazatra kokoa ny zatovovavy ampianarinao. Rehefa manao izany, dia atao-vy ao an-tsaina lalandava ny fitsipiky ny filazantsara nampianarina ao amin’ ny lesona.Ny fanampin-tantara dia tokony hanohana sy hanampy ny fampianarana ny fitsipiky ny filazantsara izay nasongadina ao amin’ ny tanjon’ ny lesona.

Tsy voatery hampianarina araka ny firafitra hita ao amin’ ny boky fampianarana ny leso-na, nefa kosa ny foto-kevitra rehetra dia tokony ho voakasika amin’ ny fotoana mahame-ty izany mandritra ny taona.

Tadidio fa mampianatra zatovovavy ianao fa tsy mampianatra lesona fotsiny akory.Mivavaha mba hahazoana aingam-panahy mba hanampy azy ireo hahatratra ny fahaiza-ny feno amin’ ny maha-zanakavavin’ Andriamanitra azy.

Ny fampianarana mahomby dia ahitana ny fahafantarana ny zatovovavy tsirairay avy,ny ray aman-dreniny ary ny fianakaviany. Eritrereto ny momba ny zatovovavy tsirairay syny fianakaviany. Miezaha hijery azy araka ny fijerin’ ny Ray any an-danitra azy. Raisoaraka ny fari-pahaizany ny tsirairay, ary ampio izy mba hisondrotra ao amin’ ny filazan-tsara.

Ianaro ny momba ny zatovovavy tsirairay amin’ ny alalan’ ny fanomezanao ireto fanon-taniana manaraka ireto amin’ ny tenanao:

• Inona ny zavatra mahaliana azy, ny faniriany, ny talentany, ary ny tanjony?

• Ahoana ny mombamomba azy sy ny miseho aminy any an-trano? any am-piangonana?any am- pianarana? any am-piasana? miaraka amin’ ireo namany?

• Inona no ilainy?

• Ahoana no ahafahako manampy azy?

Ny fomba tsara indrindra hanampiana ny zatovovavy tsirairay dia ny fanampiana azyhianatra sy hiaina ny filazantsara. Ny Filoha Marion G. Romney dia nanoro hevitra hoe:“Ny fianarana ny filazantsara avy amin’ ny teny voasoratra— dia tsy ampy. Tsy maintsyiainana ihany koa izany. Raha ny tena marina, dia mifampiankina ny fahazoana fahalala-na momba ny filazantsara sy ny fiainana izany. Mifandray izy ireo. Tsy afaka ny hianatratanteraka ny filazantsara ny olona iray raha tsy miaina izany. Mandeha amin’ ny ambara-tongany ny fahalalana ny filazantsara: mianatra kely ny olona iray, dia mankatò izay nianarany; mianatra bebe kokoa ary mankatò izany. Mitohy tsy hanam-pahataperana io hodina io. Izany no drafitra mba hahafahan’ ny olona iray misondrotra ho amin’ nyfahalalana feno ny filazantsara.” (“Records of Great Worth, “ Ensign, Sept. 1980, p. 4).

Naneho ohatra tamintsika ny Mpamonjy tamin’ ny alalan’ ny fahatsapana fangorahanaireo izay sembana. Rehefa nitsidika ny Nefita Izy taorian’ ny nitsanganany tamin’ nymaty dia nilaza hoe:

FAMPANDRAISA-NA ANJARA IREOIZAY SEMBANA

FAMPIANARANANY ZATOVOVAVY

Page 9: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

viii

Moa va ianareo manana ireo izay marary eo anivonareo? Ento at˜ ireo. Moa va ianareomanana izay malemy, na jamba, na mandringa, na kilemaina, na boka, na izay maina, naizay marenina, na izay ory na manao ahoana na manao ahoana izany? Ento at˜ izy diahositraniko, fa manana fangorahana anareo Aho; ny kiboko dia feno famindram-po. (3 Nefia 17:7)

Amin’ ny maha-mpampianatra anao ao an-dakilasin’ ny Fiangonana, dia eo amin’ ny toera-na tsara fampisehoana fangorahana ianao. Na dia tsy voahofana hanome torohevitry nymanampahaizana aza ianao, amin’ ny maha-mpampianatra, dia afaka mampiseho firaikanasy fifankahazoana amin’ ireo olona sembana tsirairay avy ianao. Azonao ampandraisinaanjara araka izay azo atao ny mpianatra tsirairay mandritra ny fampianarana.

Ireo mpianatra izay sembana dia mety hanana fahasahiranana eo amin’ ny fomba fiana-rana, fahalemena ara-tsaina, olana eo amin’ ny fomba fiteny, tsy fahitana na tsy fahenoa-na, olana eo amin’ ny fomba fitondrantena sy ara-tsosialy, aretina ara-tsaina, olana eoamin’ ny fomba fihetsehana na tsy fihetsehana, na fahasimban’ ny fahasalamana izaymaharitra ela. Mety ho sarotra sy tsy mahazatra ny sasany ny fomba fiteny sy ny fombafihetsika. Na dia eo aza ny zava-mitranga toy izany eo amin’ ny olona iray, ny mpianatratsirairay dia mila tiavina sy raisina hianatra ny filazantsara ary handray anjara tanteraka,ka hanompo ny hafa.

Ampiasao ireto soso-kevitra manaraka ireto rehefa mampianatra sembana ianao:

• Aza jerena ny fahasembanana ary miezaha hahafantatra ilay olona. Mijoroa amin’ ny maha-izy anao, sariaka sy tsara fanahy.

• Fantaro ny lafiny mampatanjaka ilay olona sy ny mahaosa azy.

• Ampianaro ny mpianatra ny andraikitr’ izy ireo hanaja ny mpianatra hafa. Ny fanampia-na olona sembana dia zavatra iainan’ ny kristiana, izay fianarana ho an’ ny mpianatrarehetra.

• Tadiavo izay fomba tena tsara hampianarana ny mpianatra amin’ ny alalan’ ny firesa-hana amin’ ny ray aman-dreny, olona hafa ao amin’ ny fianakaviana, ary raha azo ataodia amin’ ilay mpianatra mihitsy.

• Alohan’ ny hangatahana ireo mpianatra sembana hamaky teny, hivavaka, na handrayanjara, dia anontanio azy ireo izay fihetseham-pony amin’ ny fandraisana anjara ao an-dakilasy. Asongadino ny fahaizana sy ny talentan’ ny olona tsirairay, ary tadiavoizay fomba ahafahan’ ny tsirairay mandray anjara malalaka sy amim-pahombiazana.

• Ampifanaraho amin’ izay ilain’ ireo mpianatra sembana ny fitaovana ampiasaina amin’ ny lesona sy ny zavatra manodidina.

Page 10: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

Fiaina amin’ ny maha-Zanakavavin’Andriamanitra

Page 11: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

2

Andriamanitra Ray

TANJONA Ny zatovovavy tsirairay dia hampitombo ny fahalalany ny Rainy any an-danitra

FANOMANANA 1. Sary1, Ny Fahitana Voalohany (62470654), hita any amin’ ny faran’ ny boky fampianarana.

2. Isafidianana: Manomàna peta-drindrina misy ireo toko sy andininy amin’ ny soratramasina sy ireo toetra voalaza ao amin’ ny ampahany faharoa ao amin’ ny lesona.

3. Manendre olona iray hihira irery na hitarika ny hafa hihira ny “Combien Tu es Grand”(Cantiques, no 176) na “O Mon Pere” (Cantiques, no 185).

4. Manendre zatovovavy mba hanolotra ireo tantara, soratra masina, na teny nindraminaizay nofidinao.

SOSO-KEVITRA HAMELABELARANA NY LESONA Fampidirana

Hazavao fa ity tantara manaraka ity dia manazava ny olana ananan’ ny olona maromikasika ny tena toetran’ Andriamanitra Ray.

Tantara Nisy zavatra vitsivitsy izay tsy niova mihitsy teo amin’ ny fiainana miovaova hatranynananan’ i Ev, zazalahy izay notaizana tao Georgia tamin’ ny taona 1950 tany ho any. Naizany aza anefa, ny toe-javatra iray izay azony antoka isan-kerinandro dia ny fanango-nan’ ny reniny hatrany ny fianakaviany misy olona maro ary ny fitondrany azy ireo anyam-piangonana. Mpitandrina ny rain’ i Ev.

Raha vao efatra ambin’ ny folo taona teo ho eo i Ev dia nanomboka nanontany mombaireo fampianarana sasany ao amin’ ny fiangonany. Ny nampisafotofoto azy indrindra diany momba ny famaritan’ ny fiangonany an’ Andriamanitra. Sarotra taminy ny naka saryan-tsaina an’ Andriamanitra tsy manana vatana, ratsam-batana, na filana, izay mety hoeny rehetra eny amin’ ny fotoana iray ary tsy tena fantatra hoe aiza na aiza. Nahalalabebe kokoa an’ i Jesoa izy satria efa nahita ny sariny ary efa namaky tantara ao amin’ ny Baiboly momba ny asa fanompoany tet˜ an-tany.

Nanjary nihasarotra tamin’ i Ev ny fandehanana tany am-piangonana, na dia tiany aza ny nihira tao amin’ ny antokom-pihira. Fa ny tena zava-dehibe, dia nanjary nihasarotrataminy ny nivavaka tamin’ ity Andriamanitra feno misitery ity. Tamin’ ny farany dia tsapany fa nihanalavitra ny fanabeazana ara-panahy azony ny fiainany.

Taona vitsivitsy tat˜ aoriana, dia nifanena tamin’ ny misiônera Olomasin’ ny AndroFarany roa izy tany am-piasanany. Nipololotra tao am-pony ny fahatsiarovana ny fiainana ara-pinoana nananany teo aloha, ary dia nangataka ireo misiônera ho any an-tranony izy hampianatra azy. Rehefa nanolotra ny tantaran’ i Joseph Smith nymisiônera, dia tsy nahataitra an’ i Ev ny nahafantatra ny fisafotofotoana nananan’ i Joseph momba izay fiangonana hirotsahany ho mpikambana, satria tsaroany ny fihetseham-pony fony izy zatovolahy.

Sary Asehoy ny sarin’ ny Fahitana Voalohany

Naverin’ ireo misiônera notantaraina ny tantaran’ ny fahitana voalohan’ i Joseph Smith,ary nolazainy tamin’ i Ev ny nisehoan’ ny Ray sy ny Zanaka tamin’ ny maha-olon-droamiavaka feno voninahitra Azy ireo. Nahatsapa ny fahamarinan’ ilay fahitana i Ev, aryfeno hafanana mahafinaritra ny fony.

Dia natao batisa izy. Tamin’ ny alalan’ ny fahafantarana fa Andriamanitra no Rainy anyan- danitra, ary izy dia tena zanaka ara-panahin’ Andriamanitra, dia nanjary afaka nahitatanjona lehibe teo amin’ ny fiainany i Ev.

Lesona

1

Page 12: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

3

Afaka mampitombo ny fahalalantsika an’ Andriamanitra Ray isika

Fanadihadiana • Nahoana no sarotra tamin’ i Ev ny nivavaka tamin’ ny Rainy any an-danitra?

• Inona no nosintonin’ i Ev avy amin’ ny tantaran’ ny fahitana voalohan’ i Joseph Smith?

• Nahoana no nanohina ny fony tanteraka io tantara io?

• Inona no nianarantsika momba ny tena toetran’ Andriamanitra?

Jereo tsara raha takatry ny zatovovavy fa amin’ ny alalan’ ny tenivavolombelon’ ny mpaminany sy ny soratra masina ary ny fanambarana manokana no ahafantarantsika ny toetran’ Andriamanitra.

Hazavao fa nampianatra i Joseph Smith fa “ny fitsipika voalohan’ ny Filazantsara dia nyfahafantarana tanteraka ny tena Toetran’ Andriamanitra” (Teachings of the Prophet JosephSmith, nofantenan’ i Joseph Fielding Smith [Salt Lake City: Deseret Book Co., 1938], p. 345).

Lazao ny zatovovavy fa notantarain’ i Joseph Smith ny zava-niainany niaraka tamin’ ny Ray sy ny Zanaka. Asaovy mamaky mafy ny Tantaran’ i Joseph Smith 1:17 ary nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:19–24 ny zatovovavy.

Hazavao fa ny anaran’ Andriamanitra Ray dia i Elohima, ary Izy no rain’ ny fanahin’ ny olombelona rehetra. Izy ihany koa no rain’ i Jesoa Kristy ara-nofo.

Vakio ity fanambarana manaraka avy amin’ ny Fiadidiana Voalohany ity: “AndriamanitraRay Mandrakizay izay lazaintsika amin’ ny anarana voasandratra hoe ‘Elohima,’no tenaRain’ ny Tompo sy Mpamonjy antsika Jesoa Kristy, sy ny an’ ny fanahin’ ny olombelonarehetra. (Ny Ray sy ny Zanaka: Fampisehoana Fotopampianarana nataon’ ny FiadidianaVoalohany sy ny Roambinifololahy, “Improvement Era, Aog. 1916, p. 934).

Hazavao fa Andriamanitra Ray dia niseho sy niresaka tamin’ ny mpaminany tet˜ an-tanytamin’ ny toe-javatra mahalam-piseho. Raha nanao izany Izy dia mba ho fijoroana hovavolombelona ny amin’ ny fahefana masin’ i Jesoa Kristy Zanany fotsiny ihany.

Oviana no nijoro ho vavolombelona ho an’ ny Zanany ny Ray? (Tamin’ ny fahitana voalohan’ i Joseph Smith, tamin’ ny nanaovana batisa an’ i Kristy, tamin’ i Kristy niovaendrika teo anoloan’ ny Apôstôliny, tamin’ i Kristy niseho tamin’ ireo Nefita taorian’ nynitsanganany tamin’ ny maty.)

Hazavao fa nilaza i Joseph Smith fa tokony hahalala ny momba ny toetran’ AndriamanitraRay izay lazaina manaraka isika. Rehefa mamaky ireo hevitra enina ianao, dia soraty enyamin’ ny solaitrabe ireto teny ireto: 1. Mandrakizay, 2. Be famindram-po, 3. Tsy miova, 4.Marina, 5. Tsy mizaha tavan’ olona, 6. Be fitiavana.

“Voalohany, dia Izy no Andriamanitra talohan’ ny namoronana ny tany, ary dia mbola io Andriamanitra io ihany taorian’ ny namoronana izany

“Faharoa, dia be famindram-po sy be fahasoavana Izy, tsy mora tezitra, feno hatsarana,ary toy izany Izy hatramin’ izay, ary mbola ho toy izany mandrakizay.

“Fahatelo, dia tsy miova Izy, na dia misy fiovaovana aza eo Aminy; fa Izy ilay tsy miovahatramin’ izay ka ho mandrakizay, ilay tsy miova omaly sy anio ary ho mandrakizay; aryny lalany dia faribolana mandrakizay tsy miova.

“Fahefatra, dia Andriamanitry ny fahamarinana Izy ary tsy mandainga.

“Fahadimy, dia tsy mizaha tavan’ olona Izy; fa ireo izay matahotra an’ Andriamanitra sy miasa amim-pahamarinana ao amin’ ny firenena rehetra dia hankasitrahany.

“Fahenina, dia fitiavana Izy” (Lectures on faith, nangonin’ i N. B. Lundwall [Salt Lake City:N. B. Lundwall, n.d.], p. 35).

Soraty eo amin’ ny lafiny iray amin’ ny solaitrabe ireto toko sy andininy ao amin’ ny soratramasina manaraka ireto, ary ny sasany amin’ ireo toetran’ Andriamanitra eo andaniny. (Naasehoy ny peta-drindrina izay efa nomaninao.) Asaovy tadiavin’ ny zatovovavy ilay soratramasina ka hovakiny mafy izany. Asaovy manoritra tsipika izy ireo hampifandray ny toetramarina izay mifanaraka amin’ ilay toko sy andininy ao amin’ ny soratra masina.

Solaitrabe nafanoloranapeta-drindrina

Solaitrabe sy tenynindramina

Famelabelaranaataon’ ny mpampianatra sy soratra masina

Page 13: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

4

Zanaka sady Mpandova ny Raintsika any an-danitra Isika

Teny nindramina Hazavao fa ny mpaminanintsika amin’ ny andro farany dia nampianatra fa zanaka ara-panahin’ ny Ray any an-danitra ara-bakiteny isika.

Asaovy vakina izao teny nindramina manaraka izao:

“Isika izay mety maty dia tena zanaka fanahin’ Andriamanitra ara-bakiteny tokoa. Rahanahafantatra, nino, ary nanaiky ity fahamarinana ity sy niaina izany ny olona, dia honiova endrika sy voavotra ity fiarahamonintsika marary sy efa ho faty ity, ary hanana fiadanana ny olona ankehitriny, ary fifaliana mandrakizay amin’ ny hoavy” (Marion G.Romney, tao amin’ ny Conference Report, Apr. 1973, p. 133; na Ensign, Jolay 1973, p. 11).

Fanadihadiana Entano ny zatovovavy hieritreritra fomba manokana izay hitondra vokany eo amin’ ny fiainany ny fahalalany fa zanak’ Andriamanitra izy ireo. Azonao atao, raha tianao, ny manome ireto fanontaniana manaraka izao ireto:

Nahoana ny fahalalana fa zanak’ Andriamanitra ianao no misy akony eo amin’ny fitondranao ny tenanao?

Nahoana io fahalalana io no mitondra akony eo amin’ ny fomba fitondranao ny olona ao amin’ ny fianakavianao sy ny namanao?

Ahoana no mety ho fiainanao raha tsy nahalala ianao fa manana Ray any an-danitra izay azonao ivavahana?

Ny fahalalana fa Andriamanitra no Raintsika dia mitondra fiadanana sy hafaliana hoantsika ary manampy antsika hahafantatra ny maha-zava-dehibe ny olona tsirairay eto an-tany.

Asaovy mamaky ny Romana 8:16–17 ny zatovovavy iray.

Hazavao fa ireo andininy ireo dia mampianatra fa zanak’ Andriamanitra isika ary mpan-dova Azy. Afaka mandova ny fiainana mandrakizay isika, izay karazam-piainana iainan’Andriamanitra. Hamela antsika hizara ny fahalalana sy voninahitra mitovy amin’ izayananany Andriamanitra. Nanome fepetra izay tsy maintsy tratrarintsika anefaAndriamanitra, raha te handova ny fiainana mandrakizay isika.

• Aiza no ahafahantsika mahita ireo fepetra izay tsy maintsy tratrantsika ireo? (Ao amin’ny soratra masina, fampianaran’ ny mpaminany amin’ izao andro izao, fampianaran’ nyray aman-drenintsika, fivoriantsika any am-piangonana.)

Hazavao fa ireo fepetra ireo dia ny didy izay nomen’ Andriamanitra antsika. Ireo didyireo dia manoro antsika ny lalana mba hahasambatra araka izay azo atao amin’ izao fiainana izao, ary mba handovana ny fiainana mandrakizay amin’ ny fiainana hoavy.

Ampio ny zatovovavy hahafantatra fa tsy misy zavatra lehibe kokoa na tsara kokoa noho ny karazam-piainana izay iainan’ Andriamanitra. Tsy azontsika an-tsaina akory ny hafaliana entin’ izany fiainana izany sy ny hatsarany. Ny fitandremana ny didy no tambin’ ny ezaka rehetra izay takian’ izany, satria amin’ ny fanaovana izany ihany no hahatonga antsika ho tahaka ny Raintsika ary handova ny fiainana mandrakizay.

Famakafakanasoratra masina

Jaona 3:16 Izy no rain’ ny fanahintsika.

Fotopampianarana sy Tia antsika Izy. Fanekempihavanana 130:22

Hebreo 12:9 Manana vatana nofo sy taolana Izy.

Fotopampianarana sy Tsy miova Izy.Fanekempihavanana 109:77

Môrmôna 9:9 Mitoetra any an-danitra Izy.

Page 14: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

5

Afaka mianatra momba ny Ray any an-danitra isika amin’ ny alalan’ ny fianaranamomba an’ i Jesoa Kristy

Asaovy mamaky ny Jaona 14:7 ny zatovovavy iray

Hazavao fa vitsy amin’ ireo teny sy asan’ ny Raintsika any an-danitra no ananantsika ka voarakitra ao amin’ ny soratra masina. Ny fomba iray tena tsara izay ahafahantsikamianatra momba ny Raintsika any an-danitra dia amin’ ny alalan’ ny fianarana mombany Zanany Jesoa Kristy.

Mba hanampiana ny zatovovavy hahafantatra ny antony ahafahantsika mianatra mombany Ray amin’ ny alalan’ ny fianarana ny momba an’ i Jesoa Kristy, dia atolory ireto toro-hevitra manaraka ireto:

1. Ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy dia iray.

• Amin’ ny fomba ahoana no maha-iray an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy?

Ataovy azo antoka ny fahafantaran’ ny zatovovavy fa ny Ray sy ny Zanaka dia irayfieritreretana, iray tarigetra, ary iray tanjona. Olona miavaka izy ireo, ary satria tenamitovy eritreritra sy atao izy ireo, ilay iray hafa dia afaka miteny eo amin’ ny toeran’ny iray. Afaka mianatra momba ny zavatra nolazaina sy nataon’ i Kristy isika, aryafaka mahafantatra fa ny Ray dia nilaza sy nanao ireo zavatra ireo ihany koa. (JereoJaona 17:20-23)

Indraindray ny zatovovavy dia manontany tena hoe oviana no i Jesoa Kristy no mitenyao amin’ ny soratra masina, ary oviana no ny Ray no miteny. Ny teny nindraminamanaraka dia hanampy hamaliana izany fanontaniana izany.

Teny nindramina “Ny ankamaroan’ ny soratra masina izay miresaka momba an’ Andriamanitra na nyTompo dia tsy misahirana akory manavaka ny Ray sy ny Zanaka, tsotra fotsiny nyantony, satria tsy misy fahasamihafana na iza na iza no Andriamanitra voakasika. Irayihany izy ireo. Ny teny sy ny asan’ ny iray amin’ izy ireo dia ho teny sy asan’ ilay irayhafa ihany amin’ ny fisehoan-javatra iray.

“Fanampin’ izany, raha misy fanambarana avy amin’ ny na amin’ ny alalan’ ny herin’ny Fanahy Masina, dia matetika izany no tenin’ ny Zanaka, eny fa na dia izay lazain’ nyZanaka aza dia lazain’ ny Ray ihany koa, ary noho izany, ireo teny ireo dia azo atao hoean’ ny Ray ihany koa.” (Bruce R. McConkie, “Our Relationship with the Lord,” taoamin’ ny Brigham Young University 1981-82 Fireside and Devotional Speeches [Provo:BrighamYoung University Press, 1982], p. 101).

2. Mitovy ny fitiavan’ ny Ray any an-danitra sy i Jesoa antsika.

Mampiseho antsika fitiavana mandrakizay i Jesoa amin’ izay zavatra rehetra ataony.Mitovy amin’ izany koa ny fitiavan’ ny Ray any an-danitra antsika. Rehefa mamakymomba ireo asam-pitiavana lehibe izay nasehon’ i Jesoa tamin’ ny Jiosy sy ny Nefitaisika dia afaka mahafantatra fa tia antsika tahaka izany fitiavana tonga lafatra izany koa ny Ray. I Kristy dia nampianatra ny fitiavana lehibe izay ananan’ ny Ray amintsika.

Asaovy vakin’ ny iray amin’ ireo zatovovavy ny Matio 7:7-11. Hazavao fa tia antsikaloatra ny Ray, ary tsy hanao zavatra izay tsy hahasoa antsika velively Izy.

3. Nanatanteraka ny drafitry ny famonjen’ ny Ray i Jesoa Kristy.

Ny drafitry ny famonjena dia drafitry ny Ray. Natolony antsika izany tany amin’ nyfisiana talohan’ ny nahaterahana, ary nifidy ny Zanany Jesoa Kristy Izy mba hanatante-raka izany. Tonga tet˜ an-tany i Kristy ary nampianatra antsika ny momba ny drafitryny fibebahana sy ny fankatoavana ny didin’ Andriamanitra. Rehefa izany, dia nijalynoho ny fahotantsika Izy ary nitsangana tamin’ ny maty mba hahafahantsika miverinaany amin’ ny Ray raha mibebaka isika. Afaka mahafantatra isika fa hendry sy be fitia-vana ny Ray any an-danitra rehefa fantatsika ny momba ny drafitry ny famonjena lehibe izay notanterahin’ i Jesoa Kristy.

4. I Jesoa Kristy no Zanaka Lahitokan’ ny Ray ara-nofo. Mitovy sy manao tahaka izayataon’ ny Ray Izy. Jereo Jaona 1:14; Hebreo 1:1-3.

5. Mivavaka amin’ ny Raintsika any an-danitra amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy isika.Jereo 3 Nefia 18: 19–21; 2 Nefia 32:9.

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Famakafakanasoratra masina

Lesona 1

Page 15: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

6

6. Nasehon’ i Jesoa Kristy antsika tamin’ ny alalan’ ny ohatra ny lalana miverina anyamin’ ny Ray. Jereo Jaona 14:6; 2 Nefia 31: 16–18.

Famaranana

Hazavao fa amin’ ny maha-zanakavavin’ Andriamanitra azy, ny zatovovavy tsirairay diamanana andraikitra mba hampitombo ny fahalalany momba ny toetran’ Andriamanitra.Rehefa mianatra bebe kokoa momba ny Rainy any an-danitra izy dia haniry ny hankatòny didiny ary hahatratra ny fahaizany amin’ ny maha-zanakavaviny azy.

Hira Asaovy hiraina olon-tokana na asaovy hirain’ ny zatovovavy ny “Combien Tu Es Grand”na “Ô Mon Père.”

Fampiharana ny lesona

1. Asaovy tadidian’ ny zatovovavy mandritra ny herinandro manaraka fa izy ireo diazanak’ Andriamanitra, ary ny olona hafa dia anadahy sy rahavaviny. Asaovy raketinyao amin’ ny diariny ny fomba nanovan’ izany fahalalana izany ny fomba fitondrante-nany sy ny fitondrany ny hafa.

2. Asaovy ataon’ ny zatovovavy tsianjery ny Jaona 17:3

Page 16: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

7

Manao izay ahafantarana ny Mpamonjy

TANJONA Ny zatovovavy tsirairay dia hiezaka ny haka an’ i Jesoa Kristy ho namany.

FANOMANANA 1. Sary 2, Jesoa eo am-baravarana (62170654), hita any amin’ ny faran’ ny boky fampianarana.

2. Asehoy amin’ ny mpianatra ny sary.

3. Asaovy mamboraka ny fihetseham-pony momba ny Mpamonjy sy ny fifandraisanyAminy ny zatovovavy iray.

4. Manendre zatovovavy mba hanolotra ireo tantara, soratra masina, na teny nindraminaizay nofidinao.

SOSO-KEVITRA HAMELABELARANA NY LESONA Fampidirana

Tantara Lazao izao tantara manaraka izao:

Maty ny lehilahy iray ary nitsangana tamin’ ny maty, ary miandry ao amin’ ny efitrano iraymba hanao tafa sy dinika. Nisy lehilahy iray hafa teo alohany. Nisokatra ny varavarana,niditra ilay lehilahy, ary rehefa izany dia nikatona ilay varavarana. Afaka nandre ny fifam-piresahana tao ambadiky ny varavarana ilay lehilahy tao ivelany. Nanomboka ny tafa sydinika: “tiako holazainao amiko izay fantatrao momba an’ i Jesoa Kristy.”

“Eny, naterak’ i Maria tao Betlehema Izy; niaina nandritra ny telo amby telopolo taonaIzy ary nandany ny telo taona farany tamin’ ny fananganana ny fiangonany, ny fifidiana-na ny Apôstôliny ary ny fanomezana ny filazantsara hitarika ny fiainantsika.”

Nanajanona azy ilay mpanontany ary nilaza hoe: “Eny e!, eny e!, marina avokoa izany, fa tiako holazainao amiko izay fantatrao momba an’ i Jesoa Kristy.”

“Eny, nijaly sy maty Izy mba hahazoantsika ny fiainana mandrakizay. Telo andro tat˜aoriana dia nitsangana tamin’ ny maty Izy mba hahafahantsika miverina any amin’ nyRay any an- danitra.”

“Eny e! eny e!, marina avokoa izany, fa tiako holazainao amiko izay fantatrao momba an’ i Jesoa Kristy”. Gagagaga ihany ilay lehilahy, ary nanomboka indray izy hoe: “Eny,namerina indray ny filazantsara tamin’ ny fahafenoany tet˜ ambonin’ ny tany Izy tamin’ny alalan’ i Joseph Smith, nanangana indray ny fiangonany, nanome tempoly ho antsikamba hahafahantsika miasa hamonjena ireo havantsika efa maty. Nanome antsika ôrdô-nansy manokana Izy mba ho famonjena sy ho fanandratana faratampony antsika.”

Nanajanona azy indray ilay mpanontany ary nilaza hoe: “Marina avokoa izay nolazainaotamiko”. Ary dia nasaina nivoaka ny efitrano ilay lehilahy. Rehefa lasa izy dia nisokatrany varavarana ary niditra ilay lehilahy faharoa. Raha nanatona ilay mpanontany izy dianiankohaka teo Aminy sady nilaza hoe: “Ry Tompoko, ry Andriamanitro.”

Afaka mianatra ny hahafantatra an’ i Jesoa Kristy isika tsirairay

Fanadihadiana Asaovy mandinika ny momba Azy ny zatovovavy tsirairay, ary Asaovy mamaly izaofanontaniana manaraka izao any an-tsainy. Omeo iray minitra fahanginana ny kilasymba handinihany ny valin-teniny.

• Ampy ve ny fahalalanao momba ny Mpamonjy amin’ izao fotoana izao, ka ho fantatraoIzy raha mifanena aminy ianao?

Lesona

2

Page 17: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

8

Avelao ny kilasy hanadihady ny fihetseham-pony. Ataovy azo antoka tsara ny fahafanta-ran’ izy ireo fa tsy ilaina ny mahita ny Mpamonjy mba hahafahana mahalala Azy. Na dianampanantena aza Izy fa hiseho amin’ ireo marina amin’ ny fomba sy fotoana izay tiany(jereo Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:1), dia nilaza tamin’ i Tomasy ihanykoa Izy hoe: “Sambatra izay tsy nahita, nefa nino” (Jaona 20:29).

Famakafakana sary Asehoy ny sarin’ i Jesoa eo am-baravarana.

• Inona no zavatra hafahafa momba ity sary ity? (Tsy misy fanintonam-baravarana avy ao ivelan’ ilay varavarana.)

• Raha hiditra i Kristy dia inona no tsy maintsy mitranga? (Tsy maintsy mamoha ny varavarana isika tsirairay.)

Soratra masina Soraty eny amin’ ny solaitrabe ny 3 Nefia 9:14. Asaovy mitady io soratra masina io ny zatovovavy tsirairay. Vakio sy hadihadio miaraka amin’ ny kilasy izany.

Ampio ny kilasy hahita fa i Kristy mihitsy no nanasa antsika tsirairay mba hanatona Azy. Nefa kosa tsy maintsy mandray fanapahan-kevitra hanaovana izany isika.

Tantara Vakio ny zava-niseho tamin’ ny Loholona Melvin J. Ballard izay nahitany ny hafalianamety ho azon’ ireo izay manatona marina an’ i Kristy.

Tadidiko ny zava-niseho tamiko roa taona lasa izay, nijoro ho vavolombelona tamin’ nyfanahiko ny amin’ ny fahamarinan’ ny nahafatesany, ny nanomboana Azy, ary ny nitsan-ganany tamin’ ny maty izay tsy hohadinoiko velively. Hijoroako ho vavolombelona ami-nareo izany anio alina, aminareo ry zatovolahy sy zatovovavy; tsy amin’ ny fanahy tehoderaina fa kosa amin’ ny fo feno fankasitrahana sy fisaorana feno ao amin’ ny fanahiko.Fantatro fa velona Izy, ary fantatro fa avy Aminy no tsy maintsy ahazoan’ ny olona nyfamonjeny, ary tsy afaka hodiantsika tsy hita ity fanati-pitahiana izay nomeny antsika ityho fitomboantsika ara-panahy mba hanomana antsika hanatona Azy sy hohamarinina.

“Tany Fort Peck Reservation izay nanaovako asa fitoriana …, indray hariva, tao anatin’ny nofy alina, dia tao amin’ izany trano masina lehibe izany aho, dia ny tempoly.Taorian’ ny fotoam-pivavahana sy firavoravoana, dia nolazaina aho fa hanana tombon-tsoa hiditra amin’ ny iray amin’ ireo efitra mba hahita Olona iray feno voninahitra, aryraha niditra ny varavarana aho dia nahita Olona iray feno voninahitra tokoa mipetrakaeo amin’ ny lapi-hazo ambony izay tsy mbola hitan’ ny masoko hatrizay, na izay tsy neri-treretiko ho nisy velively any amin’ ireo tontolo mandrakizay rehetra. Raha nanatona ahomba hifankahalala Aminy, dia nitsangana Izy nanatona ahy ary nanatsotra ny tanany,ary nitsiky Izy raha nanonona moramora ny anarako. Na hiaina iray tapitrisa taona azaaho dia tsy hohadinoiko velively izany fitsiky izany. Nosakambininy aho ary nohoroha-ny, nofihininy teo an-tratrany aho ary notsofiny rano, mandra-pahatongan’ ny ati-taolakoho toy ny nitsonika. Rehefa vitany izany, dia niankohoka teo an-tongony aho, ary rahananasa izany tamin’ ny ranomasoko sy ny horoka aho, dia hitako ireo diam-pantsika teoamin’ ny tongotry ny Mpanavotra izao tontolo izao. Ny fihetseham-po izay nananako teoanatrehan’ Ilay izay manana ny zava-drehetra eo an-tanany, mba hananana ny fitiavany,ny firaharahiany ary ny fitahiany dia toy izao: raha afaka mandray izay nananako na diaho santatra fotsiny aza aho, dia ho natolotro ny tenako manontolo, ny fanantenako rehe-tra mba hahatsapako izay tsapako tamin’ izany fotoana izany!” (Melvin J. Ballard:Crusader for Righteousness [Salt Lake City: Bookcraft, 1966], p. 138–39).

Ny soratra masina sy ny mpaminany dia mampianatra antsika ny fomba hanatonanaan’ i Kristy

• Voatery ho Apôstôly ve vao ho tonga naman’ i Kristy? Tsy maintsy tanteraka ve isika?

Teny nindramina Asaovy mamaky izao fanambarana manaraka izao ny zatovovavy iray:

“Tiany hanatona Azy isika amin’ izao isika izao. Tsy ilaina ho tanteraka isika vao hanato-na Azy. Raha tet˜ an-tany i Jesoa dia nifanerasera tamin’ ny mpamory hetra sy ny mpano-ta; ary nanontany Azy ny mpianany nanao hoe nahoana no mifanerasera amin’ izy ireoIzy; fanontaniana izay novalin’ i Jesoa tamin’ ny valiny mahafinaritra sy tsotra hoe: ‘Tsyny finaritra no mila mpanao fanafody fa ny marary.’ (Marka 2;17). Tsy mangataka antsikahanasitrana ny tenantsika amin’ ny tsy fahatanterahantsika ny Tompo alohan’ ny hanato-nantsika Azy fa kosa hanatona Azy miaraka amin’ izany tsy fahatanterahana izany; ary

Page 18: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

9

hanampy antsika handresy izany Izy. Tia antsika ny Tompo ary tiany ho resintsika nyfahotantsika ary hanampy antsika Izy rehefa mampiasa ny safidintsika isika. Tsy maintsymanomboka ny dingan’ ny fibebahana isika, ary miezaka amin’ ny herintsika rehetra mbahandresy ny fahalementsika ” (Fotopampianaran’ ny Filazantsara [A Course of Study forthe Melchizedek Priesthood Quorums, 1970–71], p. 57).

Asongadino fa afaka mahafantatra ny Mpamonjy izao tontolo izao isika tsirairay avy. Tsymangataka antsika ho tanteraka Izy fa kosa mangataka antsika mba hanao fiezahana.

• Araka ny voalaza ao amin’ io fanambarana izay vao novakina io, inona no tokonyhataontsika mba hanakaikezana kokoa ny Mpamonjy?

Soraty eny amin’ ny solaitrabe eo ambanin’ ny hoe “Ahoana no fomba hanakaikezakokokoa ny Mpamonjy?” ny valin-tenin’ ny zatovovavy. (Jereo ny fanazavana eny amin’ ny solaitrabe).

Hazavao fa nanana fangatahana hafa i Jesoa ao amin’ ny Jaona 15:14. Vakio ilay soratramasina, ary dia soraty eny amin’ ny solaitrabe izany fangatahana izany.

Teny nindramina Mba hanampiana ny kilasy hahatakatra ny dikan’ ny hoe “na inona na inona handidiakoanareo”, dia vakio izao teny nindramina manaraka izao:

“Ianareo ry zatovo, ianareo no taranaka tena tsara. Tandrovy ny fahadiovanareo. Metezaho mpitondra faneva eo amin’ ny dingana lehibe hitondrana ny olona rehetra ho aoamin’ ny Tompo. Omano ny sainareo amin’ ny alalan’ ny famenoana izany amin’ nyfahamarinana mandrakizay izay voarakitra ao amin’ ny soratra masina. Ankatoavy nyray aman-dreny ary Andriamanitra. Henoy sy hirao ny hiran’ ny lanitra. Alaviro nymozika tsisy fotony sy midobodobok’ i Satana. Tiany ny hahazo sitraka avy aminareomiaraka amin’ ny figadony mampientana ny filan’ ny nofo; rehefa izany, dia hitarikaanao hidina any amin’ ny helo. Reseo ny fakampanahy amin’ ny alalan’ ny fanorenanafifandraisana matanjaka amin’ i Kristy. Tsy hisy fifandraisana hafa hanome anao hafalia-na sy fahasambarana lehibe toy izany”. (William R. Bradford, tao amin’ ny ConferenceReport, Apr. 1976, p. 146; na Ensign, Mey 1976, p. 98).

Fanadihadiana Hadihadio ny sasany amin’ ireo torohevitry ny Loholona Bradford. Ampio ny zatovova-vy hahita fa ireo soso-kevitra tsotra ireo dia hanampy azy ireo hiaina ny didy. Amin’ nyalalan’ ny fankatoavana ny didy sy ny fanarahana ny torohevitry ny mpaminany velona,dia hanakaiky kokoa ny Mpamonjy izy ireo.

Soratra masina Soraty eny amin’ ny solaitrabe ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:62–63.Asaovy mitady izany soratra masina izany ny zatovovavy.

• Inona koa no nangatahan’ ny Mpamonjy hataontsika mba ho tonga namany?

• Ahoana no ahafahantsika “manakaiky kokoa”, “mitady” ary “mangataka”? Soraty enyamin’ ny solaitrabe ireo teny ireo

Famintinana Asongadino tsara fa rehefa miezaka ny manao ireo zavatra voalaza eo amin’ ny solaitra-be ireo ny zatovovavy, dia hanakaiky kokoa ny Mpamonjy izy ireo. Ny lesona amin’ itytaona ity dia hanampy azy ireo hahafantatra bebe kokoa an’ i Jesoa Kristy sy ho tonganamany.

Ahoana no fomba ahafahako manakaikykokoa ny Mpamonjy ahy?

Manatona Azy mba hampiany handresy nytsy fahatanterahako.

Miezaka ny hibebaka sy handresy ny fahale-meko.

Manao izay nandidian’ i Kristy amin’ ny ala-lan’ ny fiainana ny didy rehetra.

Manakaiky kokoa, mitady, mangataka.

Soratra masina sy solaitrabe

Lesona 2

Page 19: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

10

Famaranana

Teny nindramina Farano amin’ ny alalan’ ny famakiana ireto teny nindramina anankiroa manaraka ireto ny lesona:

“Meteza ho naman’ i Kristy, dia hanakaiky anao kokoa Izy sady ho namanao akaikyindrindra. Tsy misy namana tsara kokoa noho i Kristy.” (William R. Bradford, tao amin’ny Conference Report, Apr. 1976, p.146; na Ensign, Mey 1976, p. 98).

“Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa ny Tompo sy Mpamonjy Jesoa Kristy dianamantsika. Porofoiny izany isan’ andro amin’ ny fenitra mahafinaritra arahany eo amin’ny fandidiana, fananarana, fandraisana, fanambarana, famporisihana ary ny fahari-pony.Tsy hisalasalana fa vonona ny handray antsika amin’ ny maha-isika antsika Izy, nefakosa, tiany ny hamela antsika hivoatra ao amin’ ny teniny sy ny lalany.” (Marvin J.Ashton, tao amin’ ny Conference Report, Okt. 1972, p. 34; na Ensign, Jan. 1973, p. 43).

Avelao ilay zatovovavy voatondro mba hamboraka ny fihetseham-pony momba nyMpamonjy. Avelao ireo mpianatra hafa mba hanao toy izany koa.

Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ ny fitiavanao manokana ny Mpamonjy. Entano nyzatovovavy tsirairay mba hiezaka mafimafy kokoa hanakaiky ny Mpanavotra azy mandri-tra ny taona manaraka. Ny lesona amin’ ity taona ity dia hanome fanentanana hafa ho an’ny zatovovavy tsirairay. Tokony hitondra ny soratra masiny any an-dakilasy ny zatovovavyary hianatra ny tenin’ ny Mpamonjy amin’ ny alalan’ ireo mpaminany taloha sy amin’ izaofotoana izao. Ny zatovovavy tsirairay izay mianatra ny soratra masina, mibebaka amin’ nyfahotana sy ny fahalemena ary miaina ny didy dia hahatsapa ny fifandraisany amin’ i JesoaKristy ho mihamafy sy mihamatanjaka.

Fijoroana hovavolombelona

Page 20: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

11

Miaina ny filazantsara isan’ andro

TANJONA Ny zatovovavy tsirairay dia hiezaka ny hahatsapa ho akaikin’ ny Tompo eo amin’ ny fiainany andavanandro

FANOMANANA 1. Sary 3, ny Mpamonjy (62572654), hita any amin’ ny faran’ ny boky fampianarana.

2. Isafidianana: Manomàna peta-drindrina misy ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 19:23.

3. Isafidianana: Manomàna taratasy nohetezana misy soratra na peta-drindrina izay ahitana ny teny hoe Fitiavana, Vavaka, asa fanompoana, Fankatoavana, Fianarana, Asa.

4. Isafidianana: Manomàna fanasarahana takelaka na zavatra mitovitovy amin’ izany hoan’ ny zatovovavy tsirairay avy, izay misy soratra hoe: “Ny lalana azo antoka ho amin’ny fiadanana sy fahasambarana amin’ izao fiainana izao sy amin’ ny fiainana hoavydia ny fanompoana ny Tompo androany sy isan’ andro.

5. Omeo lohahevitra iray avy amin’ ireto manaraka ireto ny zatovovavy enina: Milazàzava- niainana momba ny (1) fitiavana, (2) vavaka, (3) asa fanompoana, (4) fankatoava-na, (5) fianarana ny soratra masina, na (6) asa, izay nanampy anao hahatsapa akaikin’ny Tompo kokoa. Raha tsy manana zatovovavy enina ianao ao amin’ ny kilasinao diamanondroa foto-kevitra vitsivitsy omena.

6. Manendre zatovovavy iray hihira na hamaky ny “Viens et Suis-moi” (Cantiques, no 61),“Oh, J’ai Besoin de Toi” (Cantiques, no 53), na hira hafa izay mitondra hafatra mitovyamin’ izany.

7. Manendre zatovovavy hanolotra ireo tantara, soratra masina, na teny nindramina izay nofidinao.

SOSO-KEVITRA HAMELABELARANA NY LESONA Fampidirana

Asehoy ny sarin’ ny Mpamonjy sy ny peta-drindrina misy ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 19:23. Hadihadio ilay soratra masina, ary asongadino ny maha-zava-dehibe ny fianarana ny momba an’ i Kristy sy ny fiainana araka ny fomba niainanymba hahafahantsika mahazo ny fitahiam-piadanana eo amin’ ny fiainantsika. Asaovymanamarika ilay andininy ao amin’ ny soratra masiny ny zatovovavy, ary lazao izy ireo mba hitadidy izany hevitra izany ao an-tsainy rehefa mandeha ny lesona.

Afaka mahatsapa akaikin’ ny Tompo isika eo amin’ ny fiainantsika andavanandro.

Hazavao fa raha te hahatsapa ny fiadanan’ i Kristy eo amin’ ny fiainantsika isika dia tsymaintsy miezaka ny hanakaiky an’ i Kristy isan’ andro.

• Inona no tokony hataontsika mba hahatsapana ny maha-eo akaikin’ ny Tompo eoamin’ ny fiainantsika andavanandro?

Soraty eny amin’ ny solaitrabe ny valin-tenin’ ireo zatovovavy. Ny valin-teniny dia metyhahitana hevitra toy ny hoe mampiseho fitiavana bebe kokoa ny hafa, mamaky ny sora-tra masina, mivavaka an-kitsim-po bebe kokoa, ary manao asa fanompoana bebe kokoa.

Rehefa avy namboraka ny eritreriny ireo zatovovavy, dia angataho ny maromaro amin’izy ireo mba hamaky ireto teny nindramina manaraka ireto avy amin’ ny mpitarika nyFiangonana. Asongadino fa ireto teny nindramina ireto dia mampahafantatra ireo

Fanadihadianaampiasana solai-trabe

Sary peta-drindri-na ary fanadiha-diana

Lesona

3

Page 21: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

12

zavatra azontsika atao mba hahatsapana ny maha-eo akaikin’ ny Tompo kokoa isan’andro. Aorian’ ny famakiana ny teny nindramina tsirairay avy, dia angataho ilay zatovo-vavy voatondro mba hilaza ny nanampian’ izany fitsipika izany azy hahatsapa akaikin’ny Tompo kokoa.

Rehefa mamaky ilay teny nindramina ny zatovovavy, dia asehoy ilay taratasy noheteza-na misy soratra, na ilay peta-drindrina izay mifanaraka amin’ izany, na soraty eny amin’ny solaitrabe ilay teny.

Fitiavana. “Mila tiavina ny zanak’ Andriamanitra, ary mila olona hotiavina ….Mananafanamby roa lehibe isika, izaho sy ianao, ary ireo fanamby ireo dia tsy hitsahatra velivelyraha mbola misy koa ny fofon’ aina : mifidy Azy ary tia Azy. Rehefa izany dia afakamaka toky isika fa hahafantatra Azy eto amin’ ity tontolo ity sy any amin’ ilay fanjakanaizay tsy eto amin’ ity tontolo ity amin’ ny farany. (Marion D. Hanks, tao amin’ nyConference Report, Apr. 1980, p. 42–44; na Ensign, Mey 1980, p. 30–31).

Vavaka. “Ny vavaka atao an-kitsim-po no fototry ny fiainana feno fahasambarana symamokatra. Manamafy ny finoana ny vavaka. Ny vavaka dia fiomanana ho amin’ nyfahagagana. Ny vavaka dia manokatra ny varavarana mankany amin’ ny fahasambaranamandrakizay” (H. Burke Peterson, tao amin’ ny Conference Report, Okt. 1973, p. 13; naEnsign, Jan. 1974, p. 19).

Asa fanompoana. “Ny fanompoana ny hafa an-tsitrapo sy tsy misy fitiavan-tena dia tokonyho iray amin’ ireo hatsarana lehibe ananantsika. Tsy misy resaka safidy amin’ izany.Adidy izany, didy masina ….

“Noho izany, aoka isika hifanompo amin’ ny fitiavana ara-pirahalahiana sy tsy ho rerakavelively amin’ ireo zavatra angatahina amintsika, ary haharitra sy hitozo ary halala-tana-na” (Ezra Taft Benson, “Your Charge,” New Era, Sept. 1979, p. 44).

Fankatoavana. “Ny tanjona iray izay iraisan’ ny maro amintsika eto amin’ ity fiainana itydia ny faniriana hahatratra ny tena hafaliana sy fahasambarana maharitra. Lalana irayihany no ahafahana manao izany, dia ny fankatoavana ny didin’ Andriamanitra rehetra…. ‘Rehefa mandidy ny Tompo, dia ataovy, izany no lalam-piainan’ ny mpaminany voa-lohany amin’ izao andro izao. Enga anie izany ka mba ho tarigetra sy mba ho fombantsi-ka tsirairay avy” (Delbert L. Stapley, tao amin’ ny Conference Report, Okt. 1977, p. 26, 30;na Ensign, Nôv. 1977, p. 19, 21).

Fianarana. “Rehefa manaraka ny torohevitry ny mpitarika antsika isika mba hamaky syhianatra ny soratra masina, dia ho tonga eo amintsika ny tombon-tsoa sy fitahiana maroisankarazany …. Inona no fampiasam-potoana hahazoana tombon-tsoa tsara lavitramihoatra noho ny famakiana ireo haisoratra avy amin’ ny bokin-tsoratra masina, izaymampianatra antsika hahalala an’ Andriamanitra sy hahafantatra ny fifandraisantsikaAminy? (Howard W. Hunter, tao amin’ ny Conference Report, Okt. 1979, p. 91; naEnsign, Nov. 1979, p. 64).

Asa. “Ny asa ampiasan-kery sy misy tanjona dia mitondra fahasalamana tsara, vokatramendri-piderana, fieritreretana madio, ary torimaso manala sasatra. Ny asa dia efa faha-soavana ho an’ ny olona hatramin’ izay. Enga anie ianao mba hanana fanajana tanterakany momba ny asa, na izany amin’ ny loha, na amin’ ny fo, na amin’ ny tanana” (Ezra TaftBenson, “Your Charge,” p. 44).

Fanadihadiana Rehefa voavaky ireo teny nindramina, ary rehefa nahavita ny fanolorany ny zatovovavy,dia omeo izao fanontaniana manaraka izao:

• Nahoana no sarotra indraindray ny mitoetra akaikin’ ny Tompo isan’ andro? Entano ny zatovovavy mba hanome valiny mazava tsara.

Ampahatsiahivo ny zatovovavy fa raha te hanakaiky ny Tompo izy ireo dia tsy maintsymandray ireo fitsipika ireo ho isan’ ny fiainany mandrakariva. Tsy ampy ny fiaina ny faha-marinana amin’ ny Alahady fotsiny ihany, na amin’ ny fotoana manokana fotsiny ihany.

Teny nindramina Asaovy vakina izao teny nindramina manaraka izao: “Ny lalana azo antoka mankanyamin’ ny fiadanana sy ny fahasambarana amin’ izao fiainana izao sy amin’ ny fiainanaany aoriana dia ny fanompoana ny Tompo dieny izao sy isan’ andro” (Marion G. Romney,“Serve the Lord Today,” Ensign, Jona 1979, p. 3).

Taratasy nohetezanamisy soratra

Page 22: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

13

Omeo ny zatovovavy tsirairay ny fanasarahana takelaka, na zavatra mitovitovy amin’izany izay efa nomaninao. Toroy hevitra izy mba hitahiry izany any amin’ ny toeranaizay ahafahany mitadidy isan’ andro ny hafatra voalaza ao.

Raha miaina ny filazantsara isika dia hanampy antsika amin’ ny fanatrehana ny olanamianjady amintsika isan’ andro ny Tompo

Fanadihadiana • Hanala ny olantsika rehetra ve ny fiainana akaikin’ ny Tompo?

Hazavao fa ny olana dia ho ampahany amon’ ny fiainantsika hatrany, eny fa na dia miai-na ny filazantsara aza isika. Nefa kosa, ny filazantsara dia manome fitarihan-dalana mbahanampy antsika hamaha ny olantsika; ary ny fampiononana sy ny fiadanana izay raisin-tsika noho ny fiainana akaikin’ ny Tompo dia afaka manampy antsika hiatrika ireo olanaireo tsy amin-tahotra na horohoro.

• Inona ireo fanamby sy olana sasan-tsasany izay atrehinao isan’ andro? Soraty enyamin’ ny solaitrabe ny valin-tenin’ ireo zatovovavy.

Hazavao fa miovaova ny fahasarotan’ ny olana mianjady amintsika. Ny sasany amin’ izy ireo dia tsotra, sady tsisy dikany. Nefa kosa, raha tsy atrehina amin’ ny tokony ho izyizany, dia mety hiteraka tsy fifankahazoan-kevitra, tsy fahafaliana ary fahatezerana. Misyihany koa ireo olana lehibe sy lalina kokoa izay mety hitohy fotoana maharitra, izay mite-raka ahiahy isan’ andro.

Asaovy mifidy roa na telo amin’ ireo olana izay voasoratra eny amin’ ny solaitrabe nyzatovovavy. Fafao ny solaitrabe, ary soraty er˜ ambony ireo olana ireo. Angataho nyzatovovavy mba hanolotra fomba izay ahafahana mampiasa ireo fitsipika enina nohadi-hadina: fitiavana, vavaka, fanompoana, fankatoavana, fianarana ary asa hanampy azyireo hiatrika ireo fanamby ireo. Soraty eo ambanin’ ny olana izay mifanaraka amin’ izany ireo soso-kevitra avy aminy ireo.

Lazao ny zatovovavy fa hanome trangan-javatra izay mampiseho ny sasany amin’ ireofanamby sarotra indrindra izay mety hatrehany na hatrehan’ ny namany ianao. Asaovymanolotra soso-kevitra izy ireo amin’ ny fomba izay ahafahany mampiasa ny fitsipiky ny filazantsara mba hanampy azy ireo hamaha ny olana.

1. Talohan’ izao dia mbola tsy nilaza na inona na inona taminao momba ireo olam-piana-kaviana sasan-tsasany izay mampiahiahy azy tanteraka ny namanao. Nanombokanifoka sigara ny rahavaviny ary nandany ny androantokon’ androny niaraka tamin’ nynamana izay mitarika amin’ ny ratsy. Ny ray aman-dreniny dia mifamaly mandrakari-va, ary ankehitriny, dia miresaka malalaka momba ny fisarahana. Nanontany tena izyhoe nahoana no misy eo amin’ ny fianakaviany sy eo amin’ ny fiainany ireo olana ireo.Nanomboka niahiahy momba ny fahamarinan’ ny filazantsara koa izy. Nolazainy anaoireo olana ireo, ary nangataka torohevitra avy any aminao izy. Inona no azonao lazainaazy mba hanampy azy hiatrika ireo olana ireo?

2. Nametraka olana ho an’ ny tenanao ianao tamin’ ny alalan’ ny firotorotoana sy fanapa-han-kevitra diso. Tamin’ ny faran’ ny taom-pianarana, rehefa nahatsapa tena ho nove-saran’ ireo fanadinana farany isaky ny taranja ianao, dia nangala-tahaka ny asan’ ny hafa tamin’ ny taranja tantara. Nahazo “Tena tsara” ianao tamin’ izany asa izany, sain-gy ankehitriny dia mahatsapa tena ho meloka sy menatra. Nanenina ianao fa namitaka,ary niahiahy ihany koa fa raha miaiky ny hadisoanao ianao, dia ho gaga sy ho disofanantenana aminao ny hafa. Inona no tokony hataonao?

3. Nanintona anao ny zatovolahy iray izay tsy mpikambana ao amin’ ny Fiangonana,izay toa liana momba anao. Mpianatra mahafatra-po izy, madio fitafy ary ny fitsipi-pitondrantenany dia toa azo ekena ihany. Na izany aza anefa dia fantatrao fa mifokasigara sy misotro labiera izy indraindray. Inona no tokony hataonao raha mangatakaanao hiaraka aminy izy?

Mangataha zatovovavy iray hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:2–4.

Ampahatsiahivo ny zatovovavy fa ny Tompo dia tsy nanome fampanantenana antsika fahanala ny olana, nefa kosa nampanantena antsika Izy fa hanohana antsika amin’ ny fitsapa-na antsika. Raha mahatoky isika dia hahazo valisoa lehibe any amin’ ny fanjakan’ ny lanitra.

Famakafakanasoratra masina

Fandalinanatoe-javatra

Fanasarahanatakelaka

Lesona 3

Page 23: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

14

Famaranana

Asaovy mihira na mamaky ny “Viens et Suis-moi”, “Oh! J’ai Besoin de Toi”, na hira misyhafatra mitovitovy amin’ izany ny zatovovavy iray.

Fampiharana ny lesona

1. Manoroa hevitra fa rehefa manao ny fandaharam-potoany isan’ andro mandritra nyherinandro manaraka ny zatovovavy, dia tokony hanomana asa tsotra iray izy ireo mba hanampy azy hahatsapa ho akaikin’ ny Tompo kokoa amin’ izany andro izany.Azony atao, raha tiany, ny mampiasa ireo fitsipika enina nohadihadiana tao amin’ ny lesona mba hanampy azy hifidy io asa io.

2. Toroy hevitra ny zatovovavy fa rehefa miatrika ireo olana andavanandro izy ireoamin’ ny herinandro manaraka dia tokony hiezaka mba hitadidy izany amin’ ny alalan’ ny fampiasana ireo fitsipika nohadihadiana tao amin’ ny lesona.

Page 24: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

15

Fanatontosana ireo anjara asa nomen’Andriamanitra ny vehivavy

Page 25: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

16

Miomana mba ho tonga vady mandrakizay

TANJONA Ny zatovovavy tsirairay dia hahatsapa ireo fomba izay ahafahany miomana mba ho tonga vady mandrakizay

FANOMANANA 1. Manomàna taratasy sy pensilihazo ho an’ ny zatovovavy tsirairay

2. Isafidianana: Manomàna latabatra fampirantiana mba hanazavana ireo sehatra milafanomanana amin’ ny fanambadiana. Izany fampisehoana izany dia tokony hahitanasoratra masina, diary, sakafo amin’ ny boaty, tetik’ asa fanjairana, na fitaovana fikarakarana zaridaina.

3. Manendre zatovovavy mba hanolotra ireo tantara, soratra masina, na teny nindraminaizay tianao.

SOSO-KEVITRA HAMELABELARANA NY LESONA Tokony hiomana ho amin’ ny fanambadiana ny zatovovavy tsirairay

Tantara Lazao izao tantara manaraka izao:

23 Desambra tamin’ izay. Tonga ihany tamin’ ny farany ilay andro izay hodin’ i Sahondraavy any andrenivohitra lavitra iray mba handany ny fotoam-pialan-tsasatry ny Noely mia-raka amin’ ny fianakaviany. Raha niditra teo amin’ ny lalana fidirana ny fiara, dia indro nyreniny sy ny rainy ary ny anadahiny sy ny rahavaviny nihazakazaka hiarahaba azy. Rehefaavy nifamihana sy nifanoroka izy ireo, dia niverina tao amin’ ny hafanan’ ny tranony izayheniky ny fofo-manitry ny sakafo Krismasy ny fianakaviana. Mbola tsy nahafinaritra an’ i Sahondra ohatr’ izany ny tao an-trano. Nalahelo ny fianakaviany tokoa izy!

Raha nanampy ny reniny nanasa lovia izy io hariva io, dia niresaka momba ireo zavatrabetsaka izay nianarany tany lavitra tany i Sahondra. “Ny zavatra iray izay fantatro ryNeny”, hoy izy, dia “tena tsy mbola vonona ny hanambady aho. Rehefa mipetraka irerytampoka miaraka amin’ ny namana miray trano aminao ianao, izay ezahina ny hahaizanahiaraha-mipetraka, dia mahafantatra zavatra betsaka momba anao, ny toetranao, ny fahaiza-nao momba ny fikarakarana tokantrano—na ny tsy fahampian’ ny fahaizana momba nyfikarakarana tokantrano. Tahaka izay aho mba nijery tsara ny fomba fanadiovanao, ny fan-drahoanao sakafo, ary ny fitantananao vola. Tokony ho moramora kokoa tamiko ny fiaina-na. Farafaharatsiny mba manana fotoana hahafahana mizatra miaraka amin’ ny namanamiray trano amiko aho, fa tsy hanandrana ny zava- drehetra amin’ ny vady vao.

Nianatra aho fa ilaina ny manana faharetana bebe kokoa, ary ilaina ny mitsimbina kokoa ny fihetseham-pon’ ny hafa. Tsy maintsy miankina tanteraka amin’ ny Raiko any an-dani-tra aho, satria ianao sy i Dada tsy eo hiresahina. Nitombo ny faniriako hianatra ny soratramasina sy hanoman-tena hampianatra ny hafa momba ny filazantsara. Hianatra araka izayazoko atao aho rehefa at˜ an-trano, ary hiasa mafy rehefa tafaverina any andrenivohitramba hiomana ny hanana tokantrano sambatra ho an’ ny fianakaviako indray andro any.

Fanadihadiana • Inona no nianaran’ i Sahondra momba ny tenany raha mbola tany lavitra izy? Tamin’ ny lafiny inona no nahatsapany tsy fahombiazana na tsy fahavononana?

Hazavao fa ny vehivavy amin’ izao fotoana izao dia manana anjara asa marobe isan-karaza-ny. Misy anefa anjara asa iray izay horaisin’ ny ankabetsahan’ ny vehivavy amin’ ny fotoanasasany eo amin’ ny fiainany. Anontanio ny zatovovavy izay heviny amin’ io anjara asa io.(Vady). Ny fanatanterahan’ ny zatovovavy io anjara asa io no hamaritra ny fahasambaranymandrakizay sy ny fahasambaran’ ireo izay akaiky azy amin’ ny ankapobeny.

Teny nindramina Nilaza ny Filoha Spencer W. Kimball hoe: “Ny zatovovavy dia tokony hikasa sy hiomanaamin’ ny fanambadiana sy ny fitondrana vohoka ary ny fitaizana ankizy. Zo masinareo

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Lesona

4

Page 26: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

17

ary lalana mankany amin’ ny fahasambarana tsara indrindra sy ambony indrindra izany”(Ensign, Nôv. 1978, p. 103).

Vakio sy hadihadio miaraka amin’ ny zatovovavy ny sasany amin’ ireto soratra masinamanaraka ireto: Genesisy 2:18, 24; 1 Korintiana 11:11; Mosesy 3:18, 21–24. Ampio ny zato-vovavy hahafantatra fa ny fanambadiana dia tendrin’ Andriamanitra

Fanadihadiana Hazavao fa betsaka amin’ ny vehivavy no miditra amin’ ny fanambadiana tsy dia misyfiomanana loatra amin’ izay zavatra takin’ izany. Soraty eny amin’ ny solaitrabe iretolohateny manaraka ireto: Aim-panahy sy Fikarakarana tokantrano. Hazavao fa misy sehatramaro hafa izay tokony hiomanan’ ny zatovovavy, saingy anankiroa ihany no hohadiha-dina amin’ ity lesona ity.

• Ahoana no fomba ahafahan’ ny zatovovavy miomana amin’ ireo sehatra tsirairay ireo?Soraty eny amin’ ny solaitrabe ny valin-tenin’ ireo zatovovavy.

Teny nindramina Nilaza ny Filoha Spencer W. Kimball hoe: “Lazaiko ny zatovovavy … fa tokony hanao izay tra-try ny heriny rehetra izy ireo mba hahatonga azy ireo hanintona eo amin’ ny lafiny ara-batana,amin’ ny fomba fitafy sy ny fahavaran-tena; ara-tsaina, amin’ ny fananana fahalalana mombany sehatra maro; ara-panahy, amin’ ny fahavononana hamaly; ara-pihetseham-po, amin’ nyfitandroana ny fahamarinana sy ny fahamendrehana” (“Marriage Is Honorable,” tao amin’ ny Speeches of the Year, 1973 [Provo: Brigham Young University Press, 1974], p. 261–62).

Asongadino fa mety ho tsy manana fahaizana ao amin’ ireo lafiny tsirairay ireo ny zatovovavy amin’ ny fotoana hanambadiany. Fa arakaraka ny hiomanan’ izy ireo tsara no mety hananan’ izy ireo fanambadiana sambatra.

Fampiasana Omeo taratasy sy pensilihazo ny zatovovavy tsirairay. Mandritra ny fanadihadiana manaraka, dia asaovy manao lisitra momba ireo lafiny manokana izay ilàny fanomananabebe kokoa ny zatovovavy.

Fiomanana ara-panahy

Hazavao fa raha miomana ara-panahy isika dia ho afaka hiatrika tsaratsara kokoa ireo olanaamin’ ny fanambadiana. Ilaina ny hampitomboan’ ny vehivavy ny fahazarana mianatra nysoratra masina, mivavaka, mifady hanina ary manoratra ao amin’ ny diariny. Ny Filoha EzraTaft Benson dia nanome izao torohevitra izao ho an’ny zatovovavy ao amin’ny Fiangonana:

Teny nindramina “Ry zatovovavy, avelao aho hananatra anareo mba handray anjara amin’ ny fandaharam-potoana amin’ ny famakiana sy famakafakana ny soratra masina isan’ andro …. Hanovany fiainanareo ny Bokin’ i Môrmôna. Hanamafy anareo hanohatra ny ratsy amin’ izaoandrontsika izao izany. Hitondra aim-panahy izay tsy ho hain’ ny boky hafa entina eoamin’ ny fiainanareo izany. Ho boky tena manan-danja izay hovakinareo ho fiomananaamin’ ny olan’ ny fiainana izany. Ny zatovovavy izay mahafantatra sy tia ny Bokin’ iMôrmôna, izay namaky izany im-betsaka, izay manana fijoroana ho vavolombelonaamin’ ny fahamarinan’ izany mitoetra ao aminy, ary mampihatra ny fampianarana aoamin’ izany, dia ho afaka hijoro hanohitra ny fitaky ny devoly, ary ho tonga fitaovanamahery eo am-pelatanan’ ny Tompo” (Ensign, Nôv. 1986, p. 82).

Fanadihadiana • Ahoana no nitahian’ ny Bokin’ i Môrmôna ny fiainanao? Ahoana no hahatonga ny fianarana ny soratra masina ho fitahiana ho anao rehefa manambady sy manana fianakaviana ianao?

Tantara Ity tantara manaraka ity dia mampiseho fa ny fiomanan’ ny zatovovavy iray ara-panahydia nanampy azy tamin’ ny maha-vady vao azy.

I Mahery sy i Hary dia nandray toro-hevitra hendry avy any amin’ ny mpamehy anyamin’ ny tempoly tamin’ ny andron’ ny fanambadian’ izy ireo: “Hitranga ny fifamaliana.Mianara mifampiresaka. Mivavaha momba ny fahasamihafanareo sy ny olanareo.Mahaiza mifamela. Mifanompoa amin’ ny tsy fitiavan-tena.”

Na dia nankasitrahan’ izy ireo aza io toro-hevitra io, dia toa ohatran’ ny tsy nilainatamin’ izany fotoana izany. Kanjo, vao nivady fotoana fohy monja izy ireo dia efa nanom-boka ny fifamaliana voalohany. Talohan’ ny nivadian’ izy ireo, dia tsy nieritreritra azyroa hifamaly velively i Hary. Nandritra ny fifamaliana, dia nilaza zavatra izay tsy tokonyholazaina izy roa, ary dia nirintona nivoaka ny trano tamim-pahatezerana i Mahery.

Mbola tsy nahatsiaro ho naratra tao anaty toy izany i Hary hatramin’ izay. Talohan’ nyfanambadiana, dia nisy ray aman-dreny be fitiavana sy namana mandrakariva teo mba

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Famakafakanasoratra masina

Page 27: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

18

hianteherana amin’ ny fotoan-tsarotra, fa tamin’ ity fotoana ity kosa, dia nahatsiaro tenaho irery izy. Nandohalika izy ary namboraka ny fihetseham-pony tamin’ ny Rainy anyan-danitra. Nivavaka izy mba hihamalefaka ny fon’ izy ireo, ary mba hiverina ao an-tra-nony ny fifanarahana.

Rehefa avy nivavaka izy dia nahafantatra fa na inona na inona olana miseho, dia tiany homandrakizay ny fanambadian’ izy ireo. Raha mitady ny fanampian’ ny Tompo izy ireodia ho afaka hamaha ny olany. Nony niverina i Mahery, dia nifampiresaka tsara izy ireoary samy naneho fialan-tsiny. Niara-nandohalika nivavaka izy ireo.

Fanadihadiana • Ahoana no nanampian’ ny fiomanana ara-panahin’ i Hary azy ho tonga vady tsaratsarakokoa? Inona no mety ho vokatr’ ilay fifamaliana raha tsy nivavaka i Hary? Inona notaratra nananan’ ny famehezana tany amin’ ny tempoly tamin’ ity fanambadiana ity?

Fiomanana amin’ ny fahaizana mikarakara tokantrano

Hazavao fa nanontaniana ny zatovolahy iray tany am-panaovana asa fitoriana ny zavatratsaroany tena banga amin’ ny maha-lavitra ny misy azy. “Ny fandrahoan-tsakafo tsaran’ i Neny”, hoy izy namaly tsy tamim-pihambahambana. Nanontaniana izay tsaroany tenabanga ny zatovovavy iray nianatra lavitra. “Ny tontolo iainana sambatra izay naorin’ iNeny tao an-tranonay. Madio lalandava izany, ary voaravaka amin’ ny zavatra namboari-ny, ka mahatonga ny tranonay tsy manam-paharoa aminay”. Nanontaniana ny ray vao nyzavatra tsaroany tena banga raha tany amin’ ny hôpitaly niteraka ny zanany voalohany nyvadiny. “Angamba tsy dia nahatsapa loatra ireo zavatra rehetra izay nataony mba hahaton-ga ny tranonay ho toerana tsara hipetrahana aho. Amin’ ny fahatongavan’ ny vahiny kelyato an-tokantranonay, dia mankasitraka tanteraka aho fa manana fahaizana mikarakara tokantrano izay ilaina mba hikarakarana ny fianakaviana sy ny ato an-trano ny vadiko”.

Fanadihadiana • Inona ny zavatra izay nalahelovan’ ireo olona telo ireo? (Fahaizana mikarakara tokantrano). Nahoana araka ny hevitrao no zava-dehibe ireo fahaizana ireo ao amin’ ny fanambadiana sy ao an-trano?

Teny nindramina Hoy ny Rahavavy Camilla Kimball, vadin’ ny Filoha Spencer W. Kimball: “Na iza na iza vehivavy ka hilaza amim-pialan-tsiny hoe ‘Mpikarakara tokantrano fotsiny aho’, dia mbola tsy nankasitraka tanteraka ny maha-zava-dehibe sy ny halalin’ ny asany izy.Anisan’ ny toetra takina mba hahombiazana ny fitiavana sy faharetana, ny tsy fitiavan-tena, ary ny fandeferana tsy misy fetrany.

“Ny vehivavy dia tokony hanana fahaizana amin’ ny fanabeazana zaza eo amin’ ny ara-tsaina sy ara-tsosialy, ara-bola sy ara-pitantanana, ara-tsakafo sy ara-pahasalamana”(A Woman’s Preparation,” Ensign, Mar. 1977, p. 58)

Fanadihadiana • Inona avy ireo sehatra hanaovana fiomanana nolazain’ ny Rahavavy Kimball ? Inonano ataonao dieny izao mba hiomanana amin’ ny andraikitry ny mpikarakara tokantrano?Entano ny zatovovavy mba hanadihady ireo zavatra manokana izay azony atao mbahanomanan’ izy ireo tena ho lasa mpikarakara tokantrano mahomby.

Famaranana

Nisy olona nilaza indray mandeha hoe: “Tsy misy fotoana hiandrasana, fa fotoana hiomanana fotsiny ihany.” Tena torohevitra tena tsara izany rehefa ampiharina amin’ ny fanambadiana. Matetika dia miandry ny fanambadiana fotsiny ny zatovovavy fa tsymiomana eo am-piandrasana. Hazavao amin’ ny zatovovavy fa raha miomana izy ireodia hanjary ho olona izay hahasarika ny zatovolahy mendrika.

Hanambady amin’ ny fotoana samy hafa ny zatovovavy tsirairay. Na izany aza anefa,raha manoman-tena amin’ ireo lafiny nohadihadiana tao amin’ ity lesona ity izy ireo, dia hitombo ny fahafahan’ izy ireo hanana fanambadiana mahomby sy sambatra.

Fampiharana ny Lesona

Amporisiho ny zatovovavy mba hitondra mody ny lisitr’ izy ireo, ary hitahiry izany aoamin’ ny diary na amin’ ny toerana azo antoka; ary mba hijery izany matetika. Entano izy ireo mba hisafidy iray amin’ ireo zavatra izay nosoratany, ary hampihatra izany mandritra ny herinandro manaraka. Entano ihany koa izy ireo mba hamerina hijery nylisitr’ izy ireo sy hisafidy zavatra hafa mba hampiharina mandritra ny taona manaraka.

Famelabelaranaataon’ ny mpam-pianatra

Famelabelaranaataon’ ny mpampia-natra

Page 28: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

19

Manorina tontolo ara-panahy ao an-tokantrano

TANJONA Ny zatovovavy tsirairay dia hiezaka ny hanorina tontolo ara-panahy ao an-tokantranony.

FANOMANANA 1. Omeo taratasy sy pensilihazo ny zatovovavy tsirairay

2. Manendre zatovovavy maromaro mba hitondra zavatra avy any an-tokantrano izaymampiseho ny fahatsarana ao an-tranony. Asaovy hazavainy amin’ ny kilasy ireo zavatra ireo.

3. Manendre zatovovavy mba hanolotra ireo tantara, soratra masina, na teny nindramina izay nofidinao.

SOSO-KEVITRA HAMELABELARANA NY LESONA Fampidirana

Fanoratana Zarao ny taratasy sy pensilihazo. Asaovy manoratra midina ny isa iray ka hatramin’ nyvalo eo amin’ ny faritra ankavian’ ny taratasiny ny zatovovavy tsirairay. Asaovy manora-tra ny valin-teniny voalohany amin’ ny teny iray na roa ny zatovovavy amin’ ny teny tsirairay izay vakinao. Rehefa izany dia vakio ny lisitra misy ireto teny manaraka ireto.

1. Tokantrano

2. Tsiky

3. Mikorontana

4. Tempoly

5. Efitrano fandriana

6. Haizina

7. Mozika

8 Ray aman-dreny

Fanadihadiana Asaovy mampitaha ny valin–teniny ireo zatovovavy ary rehefa izany, dia hadihadio ireto manaraka ireto :

• Iza amin’ ireo teny ireo no mitondra fihetseham-po tsara ho anao? Nahoana?

• Iza amin’ ireo teny ireo no mitondra fihetseham-po ratsy ho anao ? Nahoana ?

• Nahoana ny manodidina antsika, toy ireo teny ireo, no manorina fihetseham-po sy fomba fisainana ?

Manorina fomba fisainana ao an-tokantranony ny zatovovavy

Solaitrabe Hazavao fa betsaka ireo zavatra izay manampy amin’ ny fanorenana fomba fisainana na rivotra iainana ao an-trano. Ity lesona ity dia hanadihady ny roa amin’ izy ireo : (1) ny zavatra azo tsapain–tanana manodidina sy (2) ny toetran’ ireo izay monina ao. Soraty eny amin’ ny solaitrabe ireo zavatra roa ireo.

Ny zavatra manodidina azo tsapain-tanana

Fanoratana Asaovy alain’ ny zatovovavy sary an–tsaina ny efitranon’ izy ireo (na faritra izay iandraiketany ao an–trano) taorian’ ny nandehanany. Asaovy soratany eo amin’ ny faritra ankavanan’ ny taratasiny ny teny efatra izay milazalaza ny momba ilay efitra na ilay faritra amin’ izao fotoana izao.

Lesona

5

Page 29: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

20

Tantara Lazao izao tantara manaraka izao, izay nolazain’ ny vadin’ ny filohan’ ny tsatòka iray :

“Niara-nipetraka taminay ny Loholona Legrand Richards nandritra ny fihaonamben’ ny tsatòka. Rehefa nentiko tany amin’ ny efitrano izay hipetrahany izy, dia nieritreritramomba ireo olona hafa izay nampiasa io efitrano io aho.

“Nisy fotoana izay nisiana zatovo nanana olana niara–nipetraka taminay ary noravahanyaraka izay nieritreretany azy sy niheverany azy ilay efitrano. Indraindray aza dia mampa-tahotra ny manokatra ilay varavarana ka mahita sarim–biby mampatahotra, lehilahymatanjaka eny ambony môtô, na mpandihy rôka malaza lava volo mivandravandra eo amin’ ny peta–drindrina. Tsy efitrano maha-te-honina izany raha hidirana.

“Vao nifindra vao haingana tao amin’ io efitrano io ny zanakay roavavy ary nandravakaizany araka ny toetrany. Raha nanokatra ny varavarana aho tamin’ ity indray mitorakaity, dia fantatro fa efitrano antonona ny Apôstôlin’ ny Tompo izany .”

Asaovy mamaky ny fanekempinoana fahatelo ambin’ ny folo sy ny Fotopampianarana ny Fanekempihavanana 90:18 ny zatovovavy.

• Nahoana no zava-dehibe ny fanalavirantsika ny hakamoana sy ny havoretrana?

Asaovy mijery ireo teny milazalaza momba ny efitranony ny zatovovavy.

• Hahitana taratra ny aim-panahy ve ireo teny ireo ?

Toetra

Hazavao fa ny toetran’ ny olona iray dia misy fiantraikany tanteraka eo amin’ ny fianakaviana iray manontolo.

• Ahoana ny fomba fiantraikan’ ny toetranao amin’ ireo olona hafa ao amin’ ny tranofonenanao ?

Tantara Lazao izao tantara manaraka izao:

Tonga tao an–trano ny renin’ i Masy indray tolakandro rehefa avy nanatrika fivorianafandaminana rafitr’ asa naharitra ela niaraka tamin’ ny fiadidiana ny Zatovovavy aoamin’ ny paroasy. Reraka izy ary nanantena ny filaminana ao an- tranony. Feno avonavona sy fahasiahana ny fandraisan’ i Masy.

“Taiza ianao ry Neny? Mazàna ato an–trano mandrakariva ianao rehefa tonga izahay.Mananihany ireo ankizivavy kely i Tovo. Noana aho, ary tsy hitako ilay akanjo izay nampanantenainao fa hamboarinao ho ahy. Tsy maintsy mandeha any amin’ i Safidy aho afaka minitra vitsy monja.”

Nisento ny renin’ i Masy ary nanontany hoe: “Nanao ahoana ny fandehan’ ny lalaonareoandroany tolakandro?”

“Nahatsiravina”, hoy ny valin-tenin’ i Masy. “Resy izahay saingy tsy hadisoanay izany.Nanao fahadisoana ilay mpitsara”.

Fanadihadiana. • Inona no vokatra nentin’ i Masy tamin’ ny fomba fisainana tao an-tranony.

• Ahoana no fomba mety ho nananany vokatra tsara ?

Angataho ny zatovovavy mba hieritreritra izay traikefa nananany niaraka tamin’ nyfianakaviany ka nampitombo na nampihena ny aim-panahy tao an-tranony. Asao izyireo mba hizara izany amin’ ny kilasy.

Hazavao amin’ ny zatovovavy fa ny toetra sy ny fomba fanao izay hatsarain’ izy ireoamin’ ny fikarakarana ny tranony sy ny fomba fihetsiny ao dia misy fiantraikany amin’ ny rivotra iainany ao an-tranony mandritra ny fiainany. Afaka hampitombo na hampihena ny aim-panahy ao an–tranony izy ireo.

Ny mpianatra Angataho ireo zatovovavy voatondro mba hampiseho ireo zavatra izay nentiny avy any an-trano, ary hanazava izany.

Ny fanorenana tontolo ara–panahy ao an–tokantrano dia mitaky fiomanana sy asa

Vakio izao filazana manaraka nataon’ ny Filoha David O. Mckay izao. “Ny aim–panahydia ny fieritreretana ny fandresena ny tena sy ny firaisana amin’ ny tsy Manam–pahata-perana” ( tao amin’ ny Conference Report, Apr. 1949, p. 17 ).

Teny nindraminasy fanadihadiana

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Famakafakanasoratra masina

Page 30: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

21

Hazavao fa tsy maintsy mianatra mba handresy ny toetra ratsintsika sy ny fomba ratsy fanaontsika isika raha te hampivoatra ny aim–panahy ao an–tranontsika.

Lazao izao tantara manaraka izao:

Nanana namana miramiran-dava aho tany am-pianarana, ka tonga tahaka ny tana-masoandro mibaliaka izy. Rehefa maraina iny indrindra, dia mankahery izy ary falifalyaminay tsirairay avy. Tsy nisy nahalala ahy ho olona sariaka rehefa mifoha voalohanyaho, ary tsy fantatro toy izany koa izy.

Indray andro, dia nanontaniako azy ny antony mahafaly azy lalandava amin’ ny maraina.Ny valin-teny nomeny dia nampihetsi-po ahy tanteraka. Nilaza izy fa fony mbola kely diatsy faly lava amin’ ny maraina; ary tsy mahafinaritra ny manakaiky azy. Indray andro dianantsoin-dreniny izy, ary nolazainy fa izay ho vadiny sy ho zanany any aoriana dia hofadiranovana raha tsy hovainy ny fomba fitondrantenany. Tena nahataitra azy izany.

Nanapa-kevitra ny hiova izy, satria tsy tiany ny hampiseho ny toetra ratsiny amin’ ny fianakaviany any aoriana. Isa-maraina, nandritra ny volana maromaro, dia nanery tenaizy hifoha ary hanao izay hahamiramirana. Sarotra izany tany amboalohany. Nila ny fife-hezan-tena rehetra nananany izany. Rehefa afaka fotoana ela kosa, dia tsy nila ho modymiramirana intsony izy.

Nanapa-kevitra aho fa mba hanandrana koa. Sarotra izany, fa nony afaka volana maro-maro, dia tsapako fa afaka mifoha amim-pifaliana sy miramirana aho. Vehivavy tanoramanam-bady aho amin’ izao fotoana izao, ary hitako ny fiovana nentin’ ny toetrako teoamin’ ny rivo-piainana ara- panahy tao an-tokantranoko.

• Nahoana ny toetra izay nananan’ ity zatovovavy ity teo aloha no mety hampihena ny aim-panahy ao an-trano?

• Ahoana ny fomba niovany?

Hazavao fa ny fanatsarana ny fomba fanao sy ny toetra mba hampitomboana ny aim-panahy dia tsy mora, ary mendri-piezahana izany. Ny fitomboan’ ny aim-panahy diamitondra fitiavana sy fifaliana ao an-tokantranontsika. Hazavao fa ny fahatrarana zavatraizay misy vidiny eo amin’ ny fiainana dia mitaky fandaminana, fiomanana ary asa.

Fanadihadiana • Nahoana no zava-dehibe ny manova ny toetra ratsy?

• Ahoana no fomba hanovanao toetra?

Rehefa voahadihady izany dia mety ho tianao ny hamintina ny valin-teny eny amin’ ny solaitrabe. Mety hahitana ireto manaraka ireto izany lisitra izany:

Manapaha hevitra ianao fa hiova.

Mangataha ny fanampian’ ny Tompo amin’ ny alalan’ ny vavaka.

Miasà mafy mba hiova.

Asaovy soratan’ ny zatovovavy amin’ ny taratasiny ireo fomba fanao na toetra izay ananany izay tsy mampisy aim-panahy ao an-tranon’ izy ireo.

Entano izy ireo mba hampitombo ny aim-panahy ao an-tranony amin’ ny alalan’ ny fiasana mafy mba hanovana ireo fomba fanao sy toetra ireo. Hazavao fa ho mora kokoaizany raha mitandrina ny manodidina ho madio sy milamina izy ireo, mba hanasana nyfanatrehan’ ny Fanahin’ ny Tompo. Amin’ ny alalan’ ny fanombohana dieny izao sy nyfitadiavana ny fanampian’ ny Tompo, dia hitombo ny aim-panahin’ izy ireo na inona nainona ataon’ ireo olona hafa ao an- tokantrano.

Asaovy soratany ireo zavatra hafa manokana izay azony atao dieny izao mba hampitombony aim-panahy ao an-tranony.

Famaranana

Mijoroa ho vavolombelona amin’ ny zatovovavy fa raha manao ny tokantranony ho toerana ara-panahy kokoa izy ireo dia ho sambatra kokoa amin’ izao fotoana izaosy ho mandrakizay.

Fijoroana hovavolombelonaataon’ nympampianatra

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Tantara syfanadihadiana

Lesona 3

Page 31: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

22

Fampiharana ny lesona

Entano ny zatovovavy mba handrakitra ao amin’ ny diariny ny ezaka vitany tamin’ nyalalan’ ny fandresena ireo zavatra izay mampihena ny aim-panahy ao an-tranony teoamin’ ny fiainany.

Page 32: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

23

Ny andraikitry ny vehivavy hampianatra

TANJONA Ny zatovovavy tsirairay dia hahafantatra sy hanatontosa ny andraikiny hampianatra.

FANOMANANA 1. Sary 4, Jesoa miaraka amin’ ny ankizy; sary 5, Jesoa mampianatra eo amin’ ny sambo;sary 6, Toriteny teo an-tendrombohitra. Hita any amin’ ny faran’ ny boky fampianara-na daholo ireo.

2. Manendre mpianatra mba hanolotra ireo toetra dimy mampiavaka ny fampianaran’ i Kristy, izay nofakafakaina tao amin’ ny fizarana faharoa amin’ ny lesona. Tokonyhanadihady ireo toetra voatondro ho azy tsirairay ny zatovovavy amin’ ny alalan’ ny fampiasana ireo toko sy andininy ao amin’ ny soratra masina izay nomena.

3. Manendre zatovovavy mba hanolotra ireo tantara, soratra masina, na teny nindra-mina izay nofidinao.

SOSO-KEVITRA HAMELABELARANA NY LESONA Hanana fotoana hampianarana isika mandritra ny fiainantsika

Mangataha zatovovavy telo mba hamaky ireto soratra masina manaraka ireto:Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:77; 88:118; Môsià 4:14-15

• Inona no atao hoe mampianatra olona iray ?

• Nahoana no zava–dehibe ny mampianatra ny hafa ?

Antitrantero fa raha mampianatra amin’ ny fomba marina isika dia manome fahalalanasy fahaizana ny hafa, izay afaka ampiasainy mba hanatsarany ny fiainany sy ny fiainan’ny hafa. Ianarantsika avy amin’ ny olona hafa ny ankabetsahan’ ny zavatra izay ilaintsikaho fantatra, na avy amin’ ny fiteniny izany na avy amin’ ny ohatra omeny.

• Amin’ ny fomba ahoana no maha-mpampianatra ny vehivavy ?

Hazavao amin’ ny zatovovavy fa hanana fotoana hampianarana izy ireo mandritra nyandrom–piainany rehetra. Mampianatra ireo fianakaviany amin’ izao fotoana izao izy ireo;any am-pianarana; eo anivon’ ny mpifanolo-bodirindrina; namana , ary ireo izay mitovytaona aminy; ao amin’ ny fiaraha-monina misy azy; ary amin’ ny antso any am-piangona-na. Hampianatra amin’ ny toerana misy ny fianakaviany any aoriana ihany koa izy ireo.

Raha miresaka amin’ ny namana iray izy ireo, manoro hevitra olona iray, na manova nyfiainan’ ny zaza iray, dia efa nampianatra. Mampianatra amin’ ny alalan’ ny fomba fite-ny, fihetsika, ary ohatra izy ireo isan’ andro. Mampianatra lalandava izy ireo.

Teny nindramina. Ny Loholona Boyd K. Packer dia nilaza hoe: “Ny ankabetsahan’ ny zavatra ataontsikadia fampianarana. Ny fampisehoana amin’ ny zaza madinika ny fomba famatorana nykirarony,…. fanampiana zanakavavy eo amin’ ny fomba fandrahoan-tsakafo vaovao,fanomezana toriteny any am-piangonana, fijoroana ho vavolombelona, fitarihana fivoria-na fandaminana rafitr’ asa, ary indrindra indrindra ny fampianarana kilasy— izany rehe-tra izany dia fampianarana ary ataontsika tsy ankijanona izany” (Teach Ye Deligently [SaltLake City: Desert Book Co., 1975], p.2)

Solaitrabe Soraty eny amin’ ny solaitrabe ny hoe : Mpampianatra lalandava.

Fanadihadiana Asaovy mieritreritra ireo fomba izay nampianarany tamin’ ny alalan’ ny teny, fihetsika,zavatra atao na ohatra nandritra ny efatra amby roapolo ora lasa ny zatovovavy. Entanony zatovovavy mba hilaza ireo zavatra manokana izay nataony.

• Aiza no toerana tena manan-danja izay ahafahan’ ny olona iray mampianatra ?

Soratra masina syfanadihadiana

Lesona

6

Page 33: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

24

Teny nindramina. Vakio izao filazana manaraka nataon’ ny Filoha David O. Mckay izao: “ Ao an-trano notoerana voalohany sy mahomby indrindra ho an’ ny ankizy hianarany ny leson’ ny fiai-nana dia ny: fahamarinana, fanajana, fahadiovana, fifehezan-tena; ny hasarobidin’ ny fia-narana, ny asa marina, ary ny antony sy ny tombon-tsoan’ ny fiainana. Tsy misy na inonana inona mahasolo toerana ny ao an-trano amin’ ny fitaizana sy fampianarana ny ankizyary tsy misy fahombiazana afaka manonitra ny tsy fahombiazana ao an-trano” ( taoamin’ ny Manuel des soirées familiales, 1968-69, p.iii ).

Tantara Lazao izao tantara manaraka izao izay milaza ny fomba nitahian’ ny fampianaran–dreniny ny zanany lahy tamin’ ny fotoana tena nilainy fanampiana.

Ny Loholona Frank Croft dia misiônera tany amin’ ny faritra atsimon’ ny EtazoniaAmerika tany am-piandohan’ ny fiangonana. Nampianatra ny filazantsara tany amin’ny faritra izay nahitana olona tezitra be tamin’ ny fampianarany izy. Nisy andian-jiolahy nitondra fiadiana nanery azy ary nitondra azy tany anaty ala, ka nilaza taminymba hanala ny fitafiany rehetra hatreo amin’ ny valahany no ho miakatra. Nofatoran’izy ireo teo amin’ ny hazo ny tanany sy ny vatany ary niomana ny hively ny lamosinyizy ireo mandra–pivoaka ny ra.

Tsy nanan-tsafidy ny Loholona Croft fa nanao izay nampanaovin’ ireo andian-jiolahyazy; fa teo am-panaovany izany, dia indro nisy taratasy nilatsaka avy tao am-paosiny.Nosoratan–dreniny izay mipetraka any Utah izany. Fotoana fohy talohan’ izao, dia nanoratra taratasy tany amin’ ny ray aman-dreniny momba ny habibian’ ny andian-jiolahy ny Loholona Croft ary ity taratasy avy any amin’ ny reniny ity dia mamalyny ahiahiny. Izao no voalazan’ ilay taratasy :

“‘Ry zanako malala, tadidio lalandava ny tenin’ ny Mpamonjy raha hoy Izy: “Sambatraizay enjehina noho ny fahamarinana, fa azy ny fanjakan’ ny lanitra”, ary koa, “Sambatrahianareo raha haratsian’ ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenanylainga anareo noho ny Amiko. Mifalia sy miravoravoa hianareo fa lehibe ny valim–pitiana-reo any an-danitra; fa toy izany ihany no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo”.Tadidio ihany koa ny Mpamonjy teo amin’ ny hazo fijaliana, izay nijaly noho ny fahotan’izao tontolo izao raha nanambara izao teny tsy mety maty izao : “Ray ô! mamelà ny helonyfa tsy fantany izay ataony”. Mino aho ry zanako lahy fa ireo izay mampahory anareoLoholona dia tsy mahafantatra izay ataony raha tsy izany dia tsy hanao izany izy ireo.Indray andro any, any ho any, dia hahafantatra izy ireo ary hanenina amin’ ny nataony aryhanaja anareo noho ny asa sarobidy izay ataonareo. Noho izany, mahareta ry zanako, tiavoireo izay mampahory anao sy miteny ratsy anao, ary ny Tompo hitahy anao sy hanandratraanao eo imason’ izy ireo, ary ny asa nanirahana anao dia hahomby amim- boninahitra.

Nandray ilay taratasy ilay mpitarika ny jiolahy ary nanomboka namaky izany. Masiakasady loza be ny endriny sy ny masony ka fantatry ny Loholona Croft fa tsy hisy indrafovelively avy any aminy. Nakimpiny ny masony ary niandry ny fanombohan’ ny fivelesa-na izy ary nieritreritra mangina ny any an-tranony sy ny reny malalany. Nahirany nymasony nony afaka fotoana fohy ary hitany ilay mpitarika nipetraka teo ambony vatan-kazo akaiky teo, ary namerina namaky ilay taratasy. Nanjary niova tanteraka ny endriny.“Nanjavona teo ilay endrika masiaka sady loza be, nihananganohano ny masony. Toaohatran’ ny niova tanteraka ny toetrany manontolo. Mamaky andalana iray na roa, naandinin-dahatsoratra iray izy, dia mipetraka sy mandalina izany, ary ny eritreritra lalinatao an-tsain’ ilay Loholona dia ny fanantenana, eny ny fandresen-dahatra fa novan’ nyhatsaran’ ny taratasin–dreniny ny fon’ ilay lehilahy.

Farany dia nitsangana ilay lehilahy ary nilaza hoe: “ ‘Tena manana reny mahatehotiaianao ry tovolahy. Hitanao, nanana izany koa aho taloha’. Rehefa izany, dia nilaza tamin’ireo andian-jiolahy sisa izy hoe: ‘Rehefa avy namaky ity taratasin-drenin’ ity môrmônaity aho ry zalahy dia tsy afaka ny hanohy an’ ity asa ity. Angamba tsara ny hamelantsikaazy handeha’. Navotsiny ny Loholona Croft ary lasa nandeha. ( Arthur M. Richardson,The Life and Ministry of John Morgan [Nicholas G. Morgan, Sr., 1965], pp. 267–68).

Fanadihadiana • Ahoana ny fomba nampianaran’ ity reny ity ny zanany lahy ?

• Araka ny hevitrao, inona no nataon’ ity reny ity hiomanana mba hampianatra am-pitiavana sy amin-kery lehibe?

• Inona no azonao ianarana avy amin’ ity reny ity momba ny andraikitry ny vehivavy hampianatra?

Page 34: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

25

Hazavao amin’ ny zatovovavy fa mpampianatra ao an–tranony izy ireo amin’ ny izaofotoana izao, ary koa miomana ny hampianatra ny zanany amin’ ny hoavy.

Jesoa Kristy no ohatra ho antsika amin’ ny maha-mpampianatra

Hazavao amin’ ny zatovovavy fa betsaka ireo fomba izay ahafahan’ izy ireo mio-mana dieny izao mba ho tonga ho mpampianatra mahomby.

• Iza no mpampianatra lehibe indrindra?

Sary Asehoy ny sarin’ i Kristy mampianatra, ary hazavao fa i Jesoa no lehiben’ ny mpampia-natra. Hazavao fa afaka mianatra zavatra maro isika amin’ ny alalan’ ny fianarana nyfombany sy ny fanarahana ny ohatra nomeny.

Asaovy manolotra ny endriky ny fampianaran’ i Jesoa ireo mpianatra voatendry, aryhadihadio ny fomba nisehoan’ ireo endrika ireo ao amin’ ny andinin-tsoratra masina izay nianaran’ izy ireo. Rehefa manao ny famelabelarany avy ny zatovovavy tsirairay dia manorata teny fohy eny amin’ ny solaitrabe ho famintinana.

1. Tia ireo olona nampianariny i Jesoa, ary izy ireo dia nahatsapa ny fitiavany. Jereo 3 Nefia 17:3– 10. (Tia dia tia ny olona i Jesoa hany ka nijanona ela niaraka tamin’ izyireo Izy, satria tian’ izy ireo ny hijanonany. Nanasitrana ny mararin’ izy ireo Izy, arynidera Azy izy ireo).

2. Nampiasa tantara sy ohatra izay tsy zoviana amin’ ny olona Izy mba hahafahan’ izyireo mahatakatra sy mampihatra ny fampianarany. Jereo Lioka 15:3–10. (Nampiasa ny ohatra momba ilay mpiandry ondry sy ilay vehivavy nanadio ny tranony i Jesoa mba hampiseho ny hafalian’ ny Ray any an-danitra rehefa mibebaka ny mpanota.)

3. Nampianatra ny olona Izy rehefa nila fampianarana izy ireo. Tsy nilaza tamin’ izy ireo Izy mba hiandry mandra-pananany fotoana hanaovana izany. Jereo Lioka 9:10–11.(Nandeha tany amin’ ny toerana izay nahafahany ho irery i Jesoa sy ny Apôstôly, saingy nanaraka azy ireo ny olona. Tsy nasain’ i Jesoa nody izy ireo ka hiverina rehefakelikely. Nampianatra azy ireo Izy ary nanasitrana azy ireo).

4. Nahalala tsara ny soratra masina Izy ary efa niomana ara-panahy mba hampianatra.Jereo Matio 4:1–11 (Nandeha tany an’ efitra i Jesoa mba hahafahany manana fotoanahifadiankanina sy hiarahana amin’ ny Ray any an-danitra. Rehefa tonga ny devolyhaka fanahy Azy, dia afaka nandresy ireo fakampanahy Izy satria fantany izay nampianarin’ ny soratra masina).

5. Nivavaka tamin’ ny Ray any an-danitra matetika Izy mba hanampy Azy hampianatra symba hitahy ny olona izay nampianariny. Jereo 3 Nefia 17:14–17. (Rehefa nivavaka tamin’ny Ray any an-danitra i Jesoa, ary nangataka Taminy mba hitahy ny olona, dia masinatokoa ireo zavatra izay nolazainy hany ka tsy azon’ ny olona nosoratana akory izany).

Hazavao fa amin’ ny alalan’ ny fanarahana ny ohatra nataon’ i Jesoa, dia afaka mampia-natra ny hafa sy manampy azy ireo hanova ny fiainany ny zatovovavy.

Hanana fotoana hampianarana ny zatovovavy amin’ ny fandalinana ireto toe-javatra mana-raka ireto. Asaovy manapa-kevitra ny amin’ ny fomba ahafahan’ ny zatovovavy mampiasaireo toetra avy amin’ ny fiainan’ i Kristy izay vao avy nohadihadiana ny mpianatra.

Atolory ireto fandalinana toe-javatra manaraka ireto, ary omeo fotoana ny kilasy hanadihady izany.

Fandalinana toe-javatra 1

Nifankahita tamin’ i Sendra zanaky ny mpiray tampo amin’ ny ray aman-dreniny izaytsy mpikambana ao amin’ ny fiangonana i Lalaina tany amin’ ny fivoriam-pianakaviana.Nanomboka nifanoratra ry zareo, ary nanjary mpinamana. Nanoratra tamin’ i Lalaina i Sendra vao haingana, ary nanontany azy momba ny foto-pinoany.

Fandalinana toe-javatra 2

Nasaina nanampy an’ i Samy zandriny lahy amin’ ny taranja kajiny i Soafara. Nilaza i Samy fa tsy tiany ny kajy, ary tsy milaza inona aminy ny tarehimarika.

Fandalinana toe-javatra

Soratra masina syfanadihadiana

Famelabelaranaataon’ ny mpam-pianatra

Lesona 6

Page 35: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

26

Fandalinana toe-javatra 3

Voantso ho mpamangy isan-tokantrano ao amin’ ny Fikambanana Ifanampiana i Sariaka.Nanasa azy mba hamangy ny rahavavy iray, fa kosa nangataka azy tsy hanome hafatraara-pivavahana.

Fandalinana toe-javatra 4

Nanendry an’ i Haritiana mba hiresaka ny momba ny fibebahana mandritra ny takarivan’ny mpianakavin’ izy ireo ny rainy. Manana zandry vavy telo sy renibe i Haritiana aoamin’ ny fianakaviany.

Famaranana

Teny nindramina Hazavao fa nanambara izao ny Filoha Spencer W. Kimball momba ny andraikitra tenalehibe ananantsika amin’ ny fampianarana.

“Tadidintsika ny tenin’ i Nefia raha nanoro hevitra izy hoe: Ary miresaka an’ i Kristyisika, mifaly amin’ i Kristy, mitory an’ i Kristy, maminany ny amin’ i Kristy, . . .mbahahafantaran’ ny zanatsika ny loharano azony andrandraina ho famelana ny fahotany.’(2 Ne. 25:26). Ho hery toy inona no ho ao anatin’ ny olona rehetra raha fantatr’ izy ireo fany Tompo sy ny fampianarany no tena loharano lehibe ny amin’ ny fitarihana, loharanolehibe ny amin’ ny ohatra marina, loharano lehibe ny amin’ ny fanampiana! Io no tanjon-tsika voalohany indrindra amin’ ny fampianarana rehetra ataontsika ao an-trano.”(“Therefore I Was Taught”, Ensign, Jan. 1982, p. 4)

Fampiharana ny lesona

Asaovy manandrana mampiasa ireo fomba fampianarana sasany nomen’ i Kristy nyzatovovavy mandritra ny herinandro. Azonao atao, raha tianao, ny mampieritreritra azy ireo toe-javatra iray izay mety hampianarany mandritra ny herinandro.

Page 36: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

27

Ny tanjontsika eo amin’ ny fiainana

TANJONA Ny zatovovavy tsirairay dia hitady mba hahafantatra sy hanatontosa ny antom-piainany.

FANOMANANA 1. Manomàna dika mitovy ho an’ ny zatovovavy tsairairay amin’ ireo fomba dimy izayazontsika ianarana momba ny tanjontsika eo amin’ ny fiainana izay hita any amin’ nyfizarana faharoa amin’ ny lesona .

2. Raha misy ao amin’ ny faritra misy anao, dia azonao atao, raha tianao, ny mampisehony kasety video Man’s search for happiness, izay ampahany ao amin’ ny Come Unto Me(53146).

3. Manendre zatovovavy mba hanolotra ireo tantara, soratra masina, na teny nindraminaizay nofidinao.

SOSO-KEVITRA HAMELABELARANA NY LESONA Misy tanjona eo amin’ ny fiainantsika

Teny nindramina Hazavao fa indraindray isika dia mety hahatsapa tena ho tsy manan-danja, ary manonta-ny tena raha tena misy dikany ny fiainantsika. Nanome toky antsika ny Loholona GordonB. Hinckley fa ny olona tsirairay dia manan-danja eo amin’ ny drafitra mandrakizain’ nyTompo, ary manana tanjona ho antsika izay teraka amin’ izao fotoanandro izao Izy.

“Mino aho fa Andriamanitra dia … nifidy ny tsirairay aminareo hanao zavatra misy lanjanyao amin’ ny drafitra lehibeny… Tiany ianareo ary manana asa hampanaovina anareo tsirai-ray Izy” (tao amin’ ny Conference Report , Okt. 1972, p. 106; na Ensign, Jan. 1973, p. 91)

Hazavao fa raha oharina amin’ ny isan’ ny mponina marobe eto ambonin’ ny tany ny isavitsin’ ny Olomasin’ ny Andro Farany, dia toy ny tsy misy dikany isika. Ny anjara asanomen’ Andriamanitra antsika mba hiomanana amin’ ny fiavian’ ny Mpamonjy fanin-droany dia toa lehibe loatra amintsika izay vitsy tokoa. Ny fanambarana manaraka diamanome antsika torohevitra mankahery momba ny asa izay tokony hataontsika.

Teny nindramina “Efa ho enina arivo taona teo ho eo izay, no nanokanan’ Andriamanitra anareo mba hise-ho amin’ ny andro farany mialoha ny Fiavian’ ny Tompo Fanindroany. Ny fotoanandron’ny filazantsara rehetra teo aloha dia nirona tany amin’ ny apôstazia, fa ny antsika kosadia tsy ho any … Natokan’ Andriamanitra ho amin’ ny andro farany ireo zanany sasanytena matanjaka, izay hanampy hanangana ny Fanjakana amim-pandresena. Ary amin’izay ianareo no miditra, satria ianareo no taranaka izay tsy maintsy vonona hitsena nyAndriamanitrareo.

“Nandritra ny taona maro, ireo mpaminany dia nahita ny androntsika tamin’ ny alalan’ny lalantsaram-potoana. Olona efa maty analavitr’ isany sy ireo izay mbola ho teraka no mijery antsika. Aza manao hadisoana momba izany— taranaka voamarika ianareo.Mbola tsy nisy olona nampoizina ho mahatoky tamin’ ny fotoana fohy toa antsika.” (Ezra Taft Benson, “In His Steps,” tao amin’ ny Speeches of the year, 1979 [Provo: BrighamYoung University Press, 1980], p. 59).

Hazavao fa niaina niaraka tamin’ ny Raintsika any an-danitra nandritra ny fotoana ela isikatalohan’ ny nahaterahantsika, ary fantany ny zava-drehetra momba antsika—ny herintsika,sy ny fahalementsika, ny zavatra tiantsika sy ny tsy tiantsika, ny halalin’ ny finoantsika syny tenivavolombelontsika, ny talenta sy ny fahaizantsika, ary ny fahatsapana ao am-pontsi-ka. Fantany fa afaka mampiasa izany toetra izany isika tsirairay avy mba hitomboantsikabebe kokoa sy ho fananganana ny fanjakan’ Andriamanitra amin’ izao andro farany izao.

Teny nindramina Ny Eveka H. Burke Peterson dia nilaza hoe:

Mieritreritra ve ianao fa mety ho kisendrasendra no nandefasan’ ny Ray any an-danitrany iray amin’ ny zanany tet˜ an-tany, fa tsy nisy ny asa lehibe izay hotanterahina?

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Famelabelaranaataon’ nympampianatra.

Lesona

7

Page 37: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

28

“Ry namako malala, taranaka mpanjaka ianareo. Nokajiana ianareo mba ho tonga et˜ an-tany amin’ izao fotoana izao noho ny antony manokana. Tsy ny vitsivitsy aminareo ihanyfa ianareo rehetra. Misy zavatra tokony hataon’ ny tsirairay aminareo izay tsy ho vitan’ nyolon-kafa afa-tsy ianareo ihany… Raha avelanareo Izy, dia mijoro ho vavolombelona aho fa nyRay any an-danitra dia hiaraka aminareo mandritra ny lalam-piainana, ary hanome aingam–pana-hy ho anareo mba hahafantaranareo ny antony manokana nahatongavanareo eto”. (“Your Life Has a Purpose ,” New Era, May 1979, pp. 4-5; miampy soramandry).

Ny fahafantarana ny sitrapon’ ny Tompo dia afaka manome fitarihana eo amin’ ny fiainantsika

• Vakio miaraka ary mariho ny Ohabolana 3: 5–6.

• Inona no asaina hataontsika ao amin’ io soratra masina io ?

Ahoana no fomba ahafahantsika tsirairay avy mahafantatra ireo tanjona manokana izay ananan’ ny Ray any an-danitra ho an’ ny fiainantsika?

Solaitrabe Soraty eny amin’ ny solaitrabe ny valin-tenin’ ny zatovovavy, ary ampio an’ izao manaraka izao raha toa ka tsy tao anatin’ izany ireto hevitra ireto:

1. Vavaky ny tena manokana

Hazavao fa afaka miresaka amin’ ny Raintsika isika amin’ ny vavaka manokana ataon-tsika, ary afaka mangataka izay tiany hampanaovina antsika raha mbola et˜ amin’ nyfiainana an-tany. Ny Filoha Spencer W. Kimball dia nanoro hevitra hoe: “Tsy handratraantsika izany, raha toa ka miato isika any amin’ ny faran’ ny vavaka ataontsika mbahihaino fatratra—na dia iray na roa minitra monja aza—ary mivavaka lalandava toy nynataon’ ny Mpamonjy, ‘tsy ny sitrapoko anie no hatao fa ny Anao’ ( Lioka 22: 42 )” (taoamin’ ny Conference Report, Okt. 1979, p. 5; na Ensign, Nôv 1979, p. 4–5)

Fanadihadiana • Efa nisy ve fotoana nifanoheran’ ny sitrapontsika sy ny sitrapon’ ny Tompo? Angatahony zatovovavy mba hilaza ny sasantsasany amin’ ireny fotoana ireny.

• Inona na tokony hataonao amin’ ny fitrangan-javatra toy izany ?

2. Fianarana sy Fandinihana

Hazavao fa ny famakiana ny soratra masina entina amim-bavaka dia afaka manampyantsika hahafantatra izay tian’ ny Tompo ampanaovina antsika. Ny soratra masina diamanambara amintsika ny didin’ Andiamanitra izay tokony harahintsika rehetra. Afakamampiasa ny soratra masina matetika anefa isika mba hahita valiny amin’ ireo toe-java-tra misy amintsika manokana.

Hazavao fa maro amin’ ny soratra masina no natao mba hanampiana ny olona hahafanta-tra izay tian’ ny Tompo hataon’ izy ireo. Ireo olona ireo dia niaina tamin’ ny fotoana hafa,fa ny torohevitra izay nomen’ ny Tompo azy ireo kosa dia azo ampiharina amintsika. Nyfizarana faha-121 ao amin’ ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia vavaka izaynataon’ i Joseph Smith raha mbola tao amin’ ny tranomaizin’ i Liberty izy nandritra nyfotoana izay nilany fanampiana. Tiany ho fantatra izay tian’ Andriamanitra hataony.

Vakio ny andininy faha-7 sy faha-8, izay ahitana ny ampahany amin’ ny valin-tenin’ ny Tompo.

• Ahoana na ahafahan’ izany valim-bavak’ i Joseph Smith izany manampy antsikahahafantatra izay tian’ ny Tompo hataontsika amin’ izao andro izao.

3. Fanomezana ny Fanahy Masina

Hazavao fa amin’ ny maha-mpikambana ao amin’ ny Fiangonana antsika, dia efa samynandray ny Fanomezana ny Fanahy Masina avokoa isika. Ny Fanahy Masina dia irayamin’ ny ireo mpitari-dalana tena tsara amin’ ny fahafantarana izay tian’ ny Tompohataontsika et˜ an-tany. Hibitsika sy hitarika antsika izy mandritra ny fiainantsika.

Teny nindramina “Meteza ho taomin’ ilay feo mora sy malefaka. Tadidio fa nisy olona iray nanana fahefananametraka ny tanany teo ambony lohanao tamin’ ny fotoana nandraisana anao ho mpikam-bana, ary nilaza hoe “Raiso ny Fanahy Masina”. Sokafy ny fonao, eny, ny fanahinao rehetra,ho amin’ ny fanenon’ izany feo manokana izany, izay mijoro ho vavolombelona ny amin’ nyfahamarinana. Araka ny fampanantenana nomen’ i Isaia mpaminany hoe: “Ary ny sofinareodia haheno feo … izay milaza hoe: Inty no lalana, mandehana amin’ izany ianareo”(30:21)(Thomas S. Monson, “The Lighthouse of the Lord,” New Era, July 1980, p.19).

Soratra masina syfanadihadiana

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Soratra masina syfanadihadiana

Page 38: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

29

Fanadihadiana Asaovy mizara zavatra niainany izay nahatsapany ny fitaoman’ ny Fanahy Masina ny zatovovavy. Azonao atao, raha tianao, ny hizara zavatra niainanao.

4. Fitahiana avy amin’ ny fisoronana

Hazavao fa afaka mangataka tsodrano avy amin’ ny rainy, amin’ ireo mpampianatraisan- tokantrano, na mpitarika ny fisoronana hafa izay mendrika ny zatovovavy rehefamila fanampiana na fitarihana. Mety hanome aingam–panahy ireo mpihazona ny fisoronana ireo ny Tompo, ka hanome teny fitarihana sy fampiononana.

5. Tsodranon’ ny patriarka

Hazavao fa amin’ ny maha-mpikambana mendrika ao amin’ ny Fiangonana, dia afakamandray ny tsodranon’ ny patriarka isika, izay nomen’ ny Tompo ho antsika tsirairayavy. Rehefa mandray ny tsodranon’ ny patriarka isika dia lazaina amintsika ireo fitahianaizay natokan’ ny Ray any an-danitra ho antsika amin’ ity fiainana ity sy amin’ ny mandra-kizay. Ho antsika ireo fitahiana ireo raha miaina amim-pahamarinana sy amim-pahatokia-na isika. Matetika ny tsodranon’ ny patriarka dia mampahafantatra ireo fanomezam-pahasoavan’ ny fanahintsika. Ny fahafantarana ireo fanomezam-pahasoavana ireo diaafaka manampy antsika hahafantatra ny antom-piainantsika. (Jereo Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:10–12). Indraindray dia ampitandremana mialoha isika mba hanalavitra ireo fitaoman-dratsy sasany izay fantatry ny Raintsika fa haka fanahy antsika.Amin’ ny alalan’ ny fahalalana ireo fitahiana nampanantenaina, sy ireo fanomezam-paha-soavana avy amin’ ny fanahy azontsika, ary ireo fampitandremana, dia afaka mandrayfanapahan-kevitra hendry kokoa isika eo amin’ ny fiainantsika.

Tantara Tao anatin’ ny safidy sarotra i Misa. Nangataka azy ho vady i Andry. Efa niaraka nandri-tra ny herintaona izy ireo, ary tena nifankatia tokoa. Nieritreritra i Misa fa ny andro haha-sambatra azy indrindra eo amin’ ny fiainany dia ny andro izay angatahin’ i Andry azy ho vadiny. Tonga anefa izany andro izany, ary nahatsapa tena ho sahiran-tsaina i Misa.Mbola tsy nanome azy valin-teny hentitra izy fa kosa nilaza taminy fa hanome valiny nyampitso. Inona no nampiahiahy azy? I Andry dia loholona ao amin’ ny Fiangonana, arynilaza fa raha tiany dia hivady any amin’ ny tempoly izy ireo. Tsy afaka nisahana andrai-kitra tao amin’ ny Fiangonana nandritra ny fotoana elaela izy noho ny asany, fa nampa-nantena kosa izy fa hiova aorian’ ny fanambadian’ izy ireo.

Tadidin’ i Misa fa ny tsodranon’ ny patriarka azony dia nilaza zavatra momba ny olonaizay ho vadiny, ka dia navoakany izany, ary nanomboka namaky izy: “Ho avy ny fotoanaizay hakan’ ny olona anao ho vady. Mangataka anao aho mba hivavaka mafy mba hanana-nao fahendrena hisafidy iray amin’ ireo izay mangata-bady anao, dia izay mendrika. Amin’ny alalan’ ireto famantarana ireto no ahafantaranao ilay iray izay ankasitrahan’ ny Tompo.Ho madio ara-batana sy ara-tsaina izy. Hihazona ny fisoronana masina izy ary haniry nyhitondra anao any amin’ ny tempoly, ary any dia hofehezina aminy ianao, ary izy aminao,ho amin’ izao fiainana izao sy ho mandrakizay”. Fantatr’ i Misa fa tsy nanana ireo zavatratakina rehetra ireo i Andry. Fantany fa tsy iray amin’ ireo izay ankasitrahan’ ny Tompo izy.

Teny nindramina Hoy ny Loholona Thomas S. Monson: “Ny fanampiana dia mety ho tonga amin’ ny ala-lan’ ny tsodranon’ ny patriarka. Izany fitahiana izany dia ahitana fizarana avy ao amin’ny bokinao misy ny zavatra mety hiseho mandrakizay. Vakio matetika ny tsodranonao.Ianaro tsara izany. Meteza hotarihin’ ny fampitandremany. Mahaiza miaina mba ho mendrika ny fampanantenana fonosiny” (“The Lighthouse of the Lord,” p. 19).

Andraikitsika ny manaraka izay fitarihana nomena antsika

Hazavao fa hatramin’ izao, ny lesona dia nanadihady ireo fomba izay ahafahantsikamitady fitarihana sy mandray fitarihana. Tsy maintsy mandray andraikitra anefa isikamba hanaraka ny fitarihana izay voaraintsika. Tsy afaka miandry fotsiny ny Tompohilaza izay tokony hataontsika isika. Hoy ny Loholona John Groberg:

Teny nindramina “Niezaka ny hahafantatra aho taloha raha tokony hitady asa amin’ ny fandraharahana, nahampianatra, na hanao taozavatra, na inona na inona. Raha nanomboka nandroso tamin’ny lalana iray aho, ary rehefa avy nahangona zavatra vitsivitsy na maromaro mombaizany araka izay azoko natao, dia hitako fa raha diso izany fanapahan-kevitra izany, namitondra ahy amin’ ny lalan-diso—izay tsy voatery ho ratsy, fa kosa tsy natao ho ahy—dia hampahafantatra ahy lalandava tsy amim-pisalasalana izao teny izao mivantana nyTompo: ‘Tsy tsara io, aza mandeha amin’ io lalana io. Tsy natao ho anao io!’

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Lesona 7

Page 39: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

30

“Etsy andanin’ izany, mety ho efa nisy lalana roa na telo izay tokony ho efa nalehako, aryny iray tamin’ ireo dia mety ho lalana marina, ary amin’ ny ankapobeny dia mety ho izaymanome traikefa sy ireo zavatra ilaina izay nahafahako hanatontosa ny asa nanirahan’ nyTompo, izay efa neritreretiny ho ahy. Satria fantany fa mila misondrotra isika, amin’ nyankapobeny dia tsy tonga dia manondro izy ary milaza hoe: ‘Vohay io varavarana io, arymandehana roa ambin’ ny folo metatra amin’ iny lalana iny, rehefa izany dia mihodìnamiankavanana, ary mandehana roa kilometatra…’Raha toa kosa ka diso izany, dia ham-pahafantatra antsika Izy—, ho tsapantsika tsy amim-pisalasalana izany. Mino izany tan-teraka aho. Noho izany, amin’ ny toeran’ ny filazana hoe: ‘Tsy hihetsika mihitsy ahomandra-pahatsapako ao am-poko ny fitaoman’ ny fanahy’ dia aoka isika hilaza hoe:‘Andeha aho hanomboka handroso ambara-pahatsapako fa diso izany; ary raha disoizany dia tsy hanao izany aho’. Amin’ ny alalan’ ny fanesorana ireo zavatra atao rehetraizay diso ireo, dia hahita ny tenanao handeha haingana dia haingana any amin’ ny lalanaizay tokony handehananao ianao; ary rehefa izany, dia afaka mahazo antoka ianao hoe:‘Eny, mandeha any amin’ ny lalana marina aho. Manao izay tian’ ny Raiko any an-dani-tra hataoko aho satria tsy manao ireo zavatra izay tsy tiany hataoko’. Ary afaka mahafan-tatra izany tsy amim- pisalasalana ianao. Izany dia ampahany amin’ ny dingam-pandro-soana sy ampahany amin’ ny fanatanterahana izay eritreretin’ ny Raintsika any an-dani-tra ho antsika.” (“What Is Your Mission?” tao amin’ ny Speeches of the Year, 1979 [Provo:Brigham Young University Press, 1980], pp. 97–98).

Fanadihadiana Inona no andraikitsika amin’ ny fandraisana fanapahan-kevitra momba ny fiainantsikamanokana? Ahoana no nahafantaran’ ny Loholona Groberg na nandeha tany amin’ nylalana marina izy na tany amin’ ny lalan-diso?

Hazavao fa ny fandraisana andraikitra eo amin’ ny fiainantsika dia mitaky asa avy amintsi-ka. Angataho ny zatovovavy mba hamaly any an-tsainy ireto fanontaniana manaraka ireto:

1. Oviana aho no nifady hanina farany sy nivavaka mafy tokoa mba hahazo fitarihana eoamin’ ny fiainako?

2. Mihaino ny valin-tenin’ ny Tompo ve aho rehefa avy mivavaka?

3. Efa naharay ny tsodranon’ ny patriarka ve aho? Raha eny, dia hafiriana no namakiakoizany farany? Mampiasa izany ho fitarihan-dalana amin’ ny fandraisana fanapahan-kevitra ve aho?

4. Efa nangataka manokana tamin’ ny Ray any an-danitra ve aho mba hitari-dalana ahyhahalala ny sitrapony amin’ ny fiainako?

5. Miaina amim-pahamendrehana ve aho mba hahafahako mifanaraka amin’ ny bitsikyny Fanahy Masina?

6. Mandray fanapahan-kevitra sy mametraka tanjona izay hitondra ahy amin’ ny lalanamarina ve aho?

7. Mahafaly ny Tompo ve ny zavatra ataoko isan’ andro?

Famintinana

Teny nindramina Raha nandaha-teny tamin’ ny tanoran’ ny Fiangonana ny Loholona John Groberg diananome soso-kevitra ny mba hanamafisantsika ny maha-zava-dehibe ny zavatra telofarafahakeliny eo amin’ ny fiainantsika: voalohany dia Andriamanitra, Ilay Raintsika anyan-danitra, dia manana asa manokana anirahana antsika rehetra mba hotontosaina syhotanterahina raha mbola et˜ ambonin’ ny tany isika; faharoa, dia afaka mahafantatraizany asa anirahana izany isika amin’ izao fotoana izao, eto amin’ ity fiainana ity; aryfahatelo, omban’ ny fanampiany, dia afaka manatontosa izany asa anirahana izany isika,ary hahafantatra sy hanana fitokiana —et˜ sy amin’ izao fotoana izao, eto amin’ ity fiai-nana ity— fa manao izay mahafaly ny Raintsika any an- danitra isika. Hevitra tenamanan-danja tokoa ireo ary marina avokoa” (“What Is Your Mission?” p. 92).

Fampiharana ny lesona

Zarao ny dika mitovy amin’ ireo fomba dimy izay ahafahantsika mianatra momba nytanjontsika eo amin’ ny fiainana. Entano ny zatovovavy tsirairay mba handinika ireohevitra ary hiezaka ny hianatra bebe kokoa momba ny tanjon’ ny fiainany.

Fanontanianahosaintsainina

Page 40: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

Fandraisana anjara amin’ ny fiainam-pianakaviana

Page 41: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

32

Ny fianakaviana mandrakizay

TANJONA Ny zatovovavy tsirairay dia hahafantatra fa ny Tompo dia nanome fahafahana ho antsika mba hiaina ao amin’ ny fianakaviana mandrakizay ary haniry ireo fitahiana azon’ ny fianakaviana mandrakizay.

FANOMANANA 1. Sary 7, Fianakaviana iray eo amin’ ny Tempoly, hita any amin’ ny faran’ ny boky fampianarana.

2. Manomàna taratasy sy pensilihazo ho an’ ny mpianatra.

3. Manendre zatovovavy mba hanolotra ireo tantara, soratra masina, na teny nindraminaizay nofidinao.

Fanamarihana: Aoka hiraika amin’ ny filana sy ny fihetseham-pon’ ireo zatovovavy izaymety ho hany mpikamban’ ny Fiangonana ao amin’ ny fianakaviany, na izay mety hoavy amin’ ny tokantrano misy olana.

SOSO-KEVITRA HAMELABELARANA NY LESONA Ny fianakaviana no vondrona fototra ao amin’ ny drafitr’ Andriamanitra

Teny nindramina Vakio izao fanambarana manaraka izao:

“Ny tena tanjona sy tarigetran’ ny filazantsara dia ny mba hahafahan’ ny vehivavy sy nylehilahy ho iray ao amin’ ny Tompo—-mba hanorenany vondrom-pianakaviana mandra-kizay ho azy ireo any amin’ ny mandrakizay. Ny fanambadiana selestialy dia manomanaantsika ho amin’ ny fifaliana sy fahasambarana tena lehibe, izay fantatry ny olona metymaty ary ho amin’ ny fiainana mandrakizay any amin’ ny tontolo ho avy.

“Aoka isika hilaza toy izay efa nataon’ ny olona maro teo aloha, fa izay antsoin’ ny olonahoe Môrmônisma dia ilay tena firafitry ny lalàna sy ny fahamarinana, izay hahatonga nytany ho lanitra, ary ny olona ho andriamanitra” (Bruce R. McConkie, tao amin’ nyConference Report , Okt. 1979,p. 82; na Ensign, Nôv. 1979, p. 55).

Hazavao amin’ ny zatovovavy fa ity lesona ity dia hifantoka amin’ ny fomba ahafahan’ny fianakaviana ho mandrakizay.

Ataovy sary eny amin’ ny solaitrabe izao fanazavana manaraka izao:

Fiainana talohan' ny nahaterahana

Fiainana an-tany

Famakafakanaampiasanasolaitrabe

Lesona

8

Page 42: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

33

Avereno jerena miaraka amin’ ny zatovovavy ireto zavatra manaraka ireto:

1. Tany an-danitra, dia nahafantatra momba ny drafitr’ Andriamanitra ho antsika isika,mba hidina et˜ an-tany ary hiaina amin’ ny maha-fianakaviana.

2. Ny fiainana et˜ an-tany dia fitsapana izay hamaritra ny fahamendrehantsika mba handroso ka ho tonga tahaka ireo ray aman-drenintsika any an-danitra bebe kokoa.

3. Araka ny drafitr’ Andriamanitra, raha mahatoky sy mendrika isika amin’ izao fiainanaizao, dia handray fitahiana lehibe. Raha tsy izany, dia hisy fetra apetraka eo amintsikaamin’ ny fiainana any aoriana.

4. Raha mitoetra mahatoky sy mendrika isika dia hofehezina ny fianakaviantsika ary hitohy mandrakizay ny fiainam-pianakaviantsika. Izany rehetra izany dia anisan’ ny drafitr’ Andriamanitra mba hanome fahafahana ho antsika ho tafaraka ao amin’ ny fianakaviana mandrakizay.

Ampio an’ izao manaraka izao ny fanazavana eny amin’ ny solaitrabe:

Asaovy mampiasa ny soratra masiny ny zatovovavy mba hamaliana ireto fanontanianamanaraka ireto:

Inona no fantatsika momba ny fiainam-pianakaviana any amin’ ny fiainana ho avy?(Jereo Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:19–20; ireo izay nofehezina tanyamin’ ny tempoly ny fanambadiany, ary miaina amim-pahamendrehana dia hasandratra,ary hiaina miaraka ho fianakaviana mandrakizay.)

Ao amin’ ny ambaratongam-panjakana inona no hamelana ny fianakaviana hitoetra miaraka? (Jereo Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:1–4.)

Fenoy araka izao aseho izao ny fanazavana eny amin’ ny solaitrabe, ary asongadino farehefa nanangana ny vondrom-pianakaviana Andriamanitra, dia niriny hitohy mandraki-zay izany. Na izany aza anefa, dia tsy ho azontsika izany fitahiana izany raha tsy mendri-ka izany isika. Tsy maintsy mendrika ny handeha any amin’ ny ambaratonga ambonyindrindra ao amin’ ny fanjakana selestialy isika mba hahafahantsika mijanona ho fianaka-viana mandrakizay. Ny solaitrabe dia mampiseho fa tafaraka any amin’ ny ambaratongaambony indrindra amin’ ny fanjakana selestialy ny fianakaviana.

Fiainana talohan' ny nahaterahana

Fiainana an-tany

Fanadihadianaampiasanasolaitrabe

Page 43: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

34

Ny fitahiana amin’ ny fiainam-pianakaviana mandrakizay dia tsy azo raha tsy anyamin’ ny tempoly irery ihany

Vakio amin’ ny zatovovavy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:13–20, ary hadihadio ireo andininy ireo.

• Araka ireo andininy ireo, fahefan’ iza no ilaina mba hamehezana ny fanekempihavanana?(Jereo Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:13–14.)

• Aiza no toerana tokony hanambadianao mba hahatonga ny dinam-panambadianao ho voafehy mandrakizay?

• Inona no mitranga any amin’ ny fiainana ho avy amin’ ireo izay tsy nanararaotra ny hanambady any amin’ ny tempolin’ ny Tompo teto amin’ izao fiainana izao? (JereoFotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:15–17.) Ary ahoana ny amin’ ireo izay tsy afa-manoatra eto amin’ ny ity fiainana ity? (Azo atao ho an’ ny maty ny famehezanaany amin’ ny Tempoly.)

• Inona no fepetra ho an’ ireo izay miaina miaraka amin’ ny fianakaviana any amin’ ny fiainana any aoriana. (Jereo Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:18–20.)

Sary Atsangano ambony ilay sarin’ ny fianakaviana eo amin’ ny tempoly.

Ataovy azo antoka tsara ny fahafantaran’ ny zatovovavy fa ireo izay mahatratra nyambaratonga ambony indrindra amin’ ny fanjakana selestialy dia hiaina miaraka amin’ny fianakaviany sy ho tonga andriamanitra.

Tsy maintsy miomana ho amin’ ny fiainam-pianakaviana mandrakizay dieny izao isika

Vakio sy hadihadio izao teny nindramina manaraka izao:

“Raha tsy afaka mitoetra amin’ ny lalàna selestialy ny lehilahy [na vehivavy] iray, dia tsyafaka ny handray ny voninahitra selestialy izy; raha tsy afaka mitoetra amin’ ny lalànaterestrialy ny lehilahy iray, dia tsy afaka handray ny voninahitra terestrialy izy; ary rahatsy afaka mitoetra amin’ ny lalàna telestialy izy dia tsy afaka handray ny voninahitratelestialy fa kosa tsy maintsy mitoetra any amin’ ny fanjakana izay tsy fanjakam-bonina-hitra. Izany dia araka ny fanambaran’ Andriamanitra ho antsika” (Wilford Woodruff, tao amin’ ny Journal of Discourses, 12:278).

• Inona no maha-zava-dehibe ny fiomanantsika dieny izao ho amin’ ny fiainana mandrakizay?

Ataovy azo antoka tsara ny fahafantaran’ ny zatovovavy fa tsy afaka ny hiaina mandraki-zay miaraka amin’ ny fianakaviany izy ireo raha tsy miezaka dieny izao mba hiaina nylalàna selestialy. Any amin’ ny fanjakana izay nomaniny ho azy ireo no hitoerany man-

Teny nindraminasy fanadihadiana

Famakiana syfanadihadianasoratra masina

Silestialy

Terestrialy

Telestialy

Fiainana talohan' ny nahaterahana

Fiainana an-tany

Page 44: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

35

drakizay, ary mendrika ny ezaka rehetra ny fahazoana dieny izao ny fitahiana any amin’ny fanjakana selestialy.

Lazao ny fihetseham–ponao, ary mijoroa ho vavolombelona momba ny maha-zava-dehi-be ny fahazoana ireo ôrdônansin’ ny tempoly izay ilaina, ary ny fiaina ny lalàna selestialyao amin’ ny fianakaviantsika et˜ an-tany mba hahafahantsika ho tonga ho fianakavianamandrakizay.

Fampiharana ny lesona

Zarao amin’ ny zatovovavy ireo taratasy sy pensilihazo. Ampahatsiahivo azy fa nanadi-hady zava-dehibe maro izy ireo tao amin’ ny lesona momba ny fiainany hoavy. Asaovymieritreritra zavatra iray izay tsy mahatonga azy ho ilay karazan’ olona izay ho voafidyhananana rohim-pianakaviana mandrakizay izy ireo.

Afaka manoratra izy ireo hoe: “Hiezaka ny ho tsy …. aho”, ary rehefa izany dia ampioilay zavatra izay nanapahany hevitra fa hilofosany. Mety ho ohatra amin’ izany ny hoe:

1. Mora tezitra ao an-trano

2. Tia tena amin’ ny alalan’ ny fametrahana ambony kokoa ny zavatra tiako sy iriko nohoireo zavatra izay ilain’ ny fianakaviako

3. Mora tofoka amin’ ny ray aman–dreniko

Rehefa voasoratry ny zatovovavy ireo zavatra izay hilofosany, dia manomeza soso–kevi-tra mba hieritreretan’ izy ireo izay zavatra tokony hatombony hatao mba hahatonga azyho ao anatin’ ny vondrom-pianakaviana mandrakizay

Asaovy manoratra izy ireo hoe: “Hiezaka aho ny …”, ary fenoy ny ambin’ izany fanam-barana izany. Mety ho ohatra amin’ izany ny hoe:

1. Hampiseho fitiavana sy fanajana bebe kokoa ny ray aman-dreniko.

2. Ho tsara fanahy sy ho mpanaja ny anadahiko sy rahavaviko.

3. Hanampy bebe kokoa amin’ ny andraikitra ao an–tokantrano.

4. Hanolo-tena hatrany.

Entano ireo zatovovavy mba hanatratra ireo tanjona izay vao napetrany amin’ ny tenany,ary hanao izay azony atao mba hiomanany dieny izao ho mendrika ny fitahiana amin’ nyfiainam–pianakaviana mandrakizay.

Fijoroana hovavolombelona

Lesoni 8

Page 45: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

36

Manentana ny firaisan’ ny fianakaviana

TANJONA Ny zatovovavy tsirairay dia hanentana sy hanamafy ny firaisana eo anivon’ ny fianakaviany.

FANOMANANA 1. Manomàna taratasy sy pensilihazo ho an’ ny mpianatra.

2. Makà tapa-tady, na tady manify, na rofia izay mivaha ny lohany ilany mba hampiasai-na amin’ ny fanoharana ka homena ny zatovovavy any amin’ ny faran’ ny lesona.Ataovy azo antoka tsara fa misy singan–tady marobe izay mora sarahana sy tapahanailay tady. Andramo ilay fanoharana alohan’ ny hanolorana izany.

3. Manomàna dika mitovy amin’ ireo toe-javatra ao amin’ ny fizarana fahatelo ao amin’ny lesona.

4. Manendre zatovovavy mba hanolotra ireo tantara, soratra masina, na teny nindraminaizay nofodinao.

Fanamarihana: Aoka hiraika amin’ ny filana sy ny fihetseham–pon’ ireo zatovovavy izaymety ho avy amin’ ny tokantrano misy olana.

SOSO-KEVITRA HAMELABELARANA NY LESONA Fampidirana

Omeo ny zatovovavy iray ny tapa-tady. Asaovy handramany tapahana izany amin’ nyalalan’ ny fampiasana izay fomba rehetra mety ankoatra ny fanetezana izany. Rehefaizany dia hazavao amin’ ny kilasy fa mety tapaka ilay tady amin’ ny alalan’ ny fanapaha-na tsirairay ireo singan–tady ao aminy.

Hazavao fa manana toetra toy ny ananan’ io tady mahazaka io ny fianakaviana.Matanjaka ny fianakaviana rehefa miara-miasa ny olona rehetra ao aminy, ary tsy homora tapaka toy ilay tady. Nefa kosa, rehefa tsy miara-miasa intsony ny olona tsirairay,dia manjary osa ilay fianakaviana, ary ho mora tapaka toy ilay tady. Mahazo tombon-tsoa ny tsirairay ao amin’ ny fianakaviana rehefa miara-miasa ny olona tsirairay.

Ny firaisan’ ny fianakaviana dia ao anatin’ ny drafitr’Andriamanitra

Hazavao fa ny drafitry ny fiainam-pianakaviana dia efa napetraka talohan’ izao tontoloizao. Tany an-danitra dia tao anatin’ ny fianakaviana tany an-danitra isika, ary tonga tet˜an-tany ho isan’ ny fianakaviana et˜ an-tany. Ny soratra masina dia mijoro ho vavolom-belona fa tian’ ny Tompo ny hiraisantsika. Asaovy mamaky sy manadihady ireto soratramasina manaraka ireto ny zatovovavy:

1. 3 Nefia 11:29

2. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:27 (ny fehezanteny farany)

3. 4 Nefia 1:15–16

• Nahoana no zava-dehibe ny firaisan’ ny fianakaviana? (Satria rehefa izany dia afaka hifa-nampy bebe kokoa izy ireo mba hasandratra, sy handray anjara amin’ ny asan’ ny Tompo.)

Afaka mitondra anjara biriky amin’ ny firaisan’ ny fianakaviana isika amin’ ny alalan’ny toetrantsika sy ny asantsika

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Lesona ampiasanazavatra

Lesona

9

Page 46: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

37

Hazavao fa tsy miray avokoa ny fianakaviana. Mety haniry ny hisian’ ny fifankatiavanabebe kokoa ao amin’ ny ankohonany ny zatovovavy sasany ao an-dakilasy, ary ny mbahihenan’ ny fifandirana ao an-tranony. Na ireo fianakaviana izay toa mifankatia azamatetika dia manana fotoana izay ilain’ izy ireo ny miasa mafy mba hiraisana.

Asongadino fa ny Ray any an-danitra dia tia ny fianakaviana tsirairay, ary te hanampyazy ireo hahita ny hafaliana izay avy amin’ ny fiainam-pianakaviana misy firaisana. Misyfomba maro izay ahafahan’ ny olona iray ao amin’ ny fianakaviana mampitombo nyfahatsapana fitiavana sy firindrana eo amin’ ny fianakaviana iray manontolo.

Hazavao fa hilaza tantara avy ao amin’ ny soratra masina ianao, izay manazava ny vokatra mety hoentin’ ny olona iray ao amin’ ny firaisan’ ny fianakaviana.

Lazao ny tantaran’ ny tsipìka vy tapaka an’ i Nefia, ao amin’ ny 1 Nefia 16:17–32. Rehefaizany dia omeo ireto fanontaniana manaraka ireto, ary avelao ny zatovovavy hamakyireo andalana ao amin’ ny soratra masina izay manome ny valin’ izany.

• Ahoana no fihetsiky ny rahalahan’ i Nefia tamin’ izany toe-javatra izany? (Andininy20). Ahoana no fiatraikan’ ny fihetsik’izy ireo tamin’ ny fihetseham-pon’ ireo olona hafatao amin’ ny fianakaviana?

• Ahoana no fihetsiky ny rain’ i Nefia? (Andininy 20).

• Ahoana ny nandraisan’ i Nefia ilay olana? (Andininy 22–23). Ahoana no akon’ ny fihetsiny teo amin’ ny rainy sy ireo rahalahiny, ary ny fianakaviana sisa?

• Inona no vokatra nentin’ i Nefia teo amin’ ny firaisam-pianakaviana?

Tohizo ny fanadihadiana ao an-dakilasy amin’ ny alalan’ ny fanomezana ireto fanontaniana manaraka ireto:

• Inona no mety ho fiantraikan’ ny fimonomononana sy ny fitarainana eo amin’ ny firaisam-pianakaviantsika?

• Ahoana no mety ho fiantraikan’ ny fitiavantenantsika eo amin’ ny firaisam-pianakaviana?

• Inona no toetra mety hananan’ ny zatovovavy, izay mety hahatonga azy ho karazan’olona tahaka an’ i “Lamana”? Ho karazan’ olona tahaka an’ i “Nefia”?

Tantara Lazao izao tantara manaraka izao:

Ny fianakavian’ i Soafara dia toa miady lava, ary matetika dia kianiny izy ireo noho nyfifampitsikerany sy fananany toetra ratsy.

Indray andro, dia niresaka taminy manokana ny rain’ i Soafara. Nanazava izy fa mananaolana sarotra ara-bola ny fianakaviana. Tsy nahatsapa i Soafara fa ny fomba fanaony sasan-tsasany dia manampy trotraka ireo fifandirana ao an-trano. Matetika dia mitaraina izyrehefa anjarany ny manasa lovia, ary antenainy hanana vola ho amin’ izay zavatra rehetrailainy ny reniny. Indraindray dia tsy nisy ny vola, ka dia nitaraina mafy er˜ i Soafara.

Nohazavain’ ny rain’ i Soafara ny fahafoizan-tena izay nataon-dreniny. Tsy nanam-bolahividianana fitafiana ho an’ ny tenany manokana izy. Ny fanampim-bola azony avyamin’ ny famarotana legioma avy ao an-jaridainany dia ampiasaina amin’ ny zavatrailain’ ny fianakaviana. Tsy nahavidy solomaso ho azy izy, ary indraindray izy dia manana fahasarotana eo amin’ ny famakian-teny.

Rehefa avy nihaino ny rainy i Soafara dia nanapa-kevitra ny hanova ny fomba fisainanysy fihetsiny. Tsy nanakiana ny reniny izy, fa kosa nanolo-tena hiandry zaza mba hahafa-han’ ny reniny hanana takariva manokana hiarahana amin’ ny rainy. Niezaka ny hanaony raharaha ao an-trano tamin-tsitrapo izy, ary niezaka ny tsy hifamaly amin’ ny anadahiny sy rahavaviny.

Nahatsikaritra i Soafara fa nanomboka niova ireo zavatra hafa tao an-trano. Lasa nanaony raharahany tamin-tsitrapo ny anadahy sy rahavaviny, ary satria niezaka ny tsy hifa-maly izy, dia nanjary tsy dia nisy fifamaliana firy loatra tao an-trano. Nanomboka nankaf˜ ny fiarahana amin’ ny takarivan’ ny mpianakavy ny fianakaviana.

Ny volana manaraka dia nanomboka nampianatra pianô ireo ankizy eo amin’ ny mano-didina i Soafara. Nangoniny ny volany sasany ary afaka nametraka fonosana manokanaho an-dreniny teo ambanin’ ny hazo Noely izy. Ilay solomaso izay nilaina no tao anatin’izany. Nanampy azy tamin’ ny fangalana ny taratasy nilaina momba ilay solomaso ny

Tantara aoamin’ny soratra masina sy fanadihadiana

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Page 47: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

38

rainy. Afaka nanao asa fanompoana lehibe tamin’ ny fianakaviany i Soafara tamin’ ny alalan’ ny ezaka nataony.

Hazavao fa misy fotoana betsaka ahafahana manao zavatra miaraka sy manao zavatra ho an’ ny hafa ao amin’ ny fiainam-pianakaviana andavanandro. Indraindray dia tokonyhahafoy ny tombon-tsoantsika manokana isika mba hamatsy ny zavatra ilain’ ny hafa.

Asaovy mieritreritra izay fomba ahafahan’ izy ireo manampy mba hisian’ ny fiovana ao amin’ ny fianakaviany ny zatovovavy.

Zarazarao amin’ ny taratasy mitokantokana ireto ohatra manaraka ireto. Asaovy mama-ky avy ny ohatra azony ny zatovovavy tsirairay, ary hanome soso-kevitra amin’ izayfomba azony atao mba hahafahany mandray anjara amin’ ny firaisan’ ny fianakavianaamin’ ireto toe-javatra ireto:

1. Nanomboka nifoka sigara ny anadahinao, ary nangataka fanampiana taminao ny rayaman-dreninao. Sahirana ianao noho ny fanaon’ ny anadahinao.

2. Manao asa fitoriana ny anadahinao, ary miankina amin’ ny fanohanana ara-bola avyamin’ ny fianakaviana.

3. Tsy ao an-trano ny reninao tontolo andro, ary dia matetika mifamaly ny zandrinao lahy sy vavy rehefa tonga avy mianatra.

4. Sembana ny rahavavinao, ary mila fanampiana manokana.

5. Nanaraka ny torohevitry ny mpaminany ny rainao, ary namboly zaridaina tamin’ itylohataona ity.

6. Zavatra tsy dia misy miandrandra ny takarivan’ ny mpianakavy ao an-tranonao, aryanisan’ izany koa ianao. Tsy misy te handray anjara amin’ ny lesona, ary miala alohaaraka izay azo atao ny rehetra.

Famaranana

Hazavao fa nanao fanekempihavanana isika tamin’ ny batisa mba “hifampitondra nyenta-mavesatra ka mba ho maivana izany”, “mba hiara-malahelo amin’ izay malahelo”,ary “mba hampionona ireo izay mila fampiononana” (jereo Môsià 18:8–9)

• Ahoana no fomba ahafahantsika mampihatra io fanekempihavanana io amin’ ny fianakaviantsika?

Teny nindramina Vakio izao teny nindramina manaraka izao mba hanomezana hevitra ny zatovovavy:

“Avelao aho hanome soso-kevitra ny amin’ ny hanomezantsika bebe kokoa nyamintsika. . . . Mety ho zavatra tsotra toy ny fitsikiana bebe kokoa ao an-tranonareo izany.

“Ahoana ny hevitrao amin’ ny fitenenana amim-pifalifaliana kokoa? Ny fiezahanamiteny matetika hoe azafady sy misaotra?

“Ahoana ny hevitrao ny amin’ ny fitadiavana fotoana hanomezana fiderana avy amin’ nyfo ny olona tsirairay isan’ andro, ary rehefa izany dia mijery izay hasetrin’ izy ireo izany?

“Ahoana raha manapa-kevitra ny ho falifaly ianao anio alina eo am-pisakafoanana, ary na inona na inona ataon’ ny hafa na lazainy, dia hitana izany hevitra izany hatranyianao. Jereo hoe hatraiza no ahafahanao mampifaly ny fianakavianao iray manontolo”(H. Burke Peterson, tao amin’ ny Conference Report, Okt. 1972, p. 148–49; na Ensign,Jan. 1973, p. 115).

Fampiharana ny lesona

Entano ny zatovovavy mba hanapa-kevitra amin’ ny fomba iray izay ahafahan’ izy ireomampitombo ny firaisana ao amin’ ny fianakaviany amin’ ity herinandro ity. Zarao nytaratasy sy pensilihazo, ary manoratra ireo zavatra izay nofantenany izy ireo. Omeotapa-tady ny zatovovavy tsirairay mba hahatsiarovan’ izy ireo fa afaka manampy ny fianakaviany hiray sy hatanjaka izy ireo.

Toe-javatra syfanadihadiana

Famelabelararanaataon’ ny mpampianatra

Page 48: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

39

Manetsiketsika fiaraha-mientana mahafinaritra ny mpianakavy

TANJONA Ny zatovovavy tsirairay avy dia ahafantatra ireo fomba izay ahafahan’ izy ireo manentanaasa aman-danonam-pianakaviana mahafinaritra.

FANOMANANA 1. Omeo taratasy sy pensilihazo ny zatovovavy tsirairay.

2. Manomàna harona taratasy na harona lamba tsotra misy soratra hoe: “Kitapon’ ny fialambolin’ ny mpianakavy”

3. Manendre zatovovavy mba hanolotra ireo tantara, soratra masina, na teny nindraminaizay nofidinao.

SOSO-KEVITRA HAMELABELARANA NY LESONA Fampidirana

Fampiasana Asehoy ny zatovovavy ilay kitapon’ ny fialambolin’ ny mpianakavy. Hazavao fa na diamiara-miasa matetika aza ny fianakaviantsika, ary samy manana andraikitra marobe nyolona tsirairay ao amin’ ny fianakaviana, dia zava-dehibe ho an’ ny fianakaviana ny miara-miala voly. Angataho ny zatovovavy mba hanoratra soso-kevitra iray amin’ ny tapaka tara-tasy ny amin’ ny zavatra manokana izay tian’ izy ireo hatao miaraka amin’ ny fianakavia-ny. (Ny valin-tenin’ izy ireo dia mety hahitana toy ny hoe: miaraka mandehandeha, mila-lao, mahandro sakafo izay tiana, na maka rivotra.) Asaovy mametraka ny tapaka taratasinyao anatin’ ilay kitapon’ ny fialambolin’ ny mpianakavy ny zatovovavy tsirairay.

Afaka Manampy ny Fianakaviany Hiara-mifaly ny Zatovovavy

Sintony avy ao anatin’ ilay kitapon’ ny fialambolin’ ny mpianakavy ireo tapaka taratasyary vakio ny hevitra ao amin’ ny tapaka taratasy tsirairay. Asongadino ireo karazan-kevi-tra, ary avelao ny zatovovavy hanadihady izany. Hazavao fa ny zatovovavy dia afaka sytokony hanampy ny fianakaviany mba hiara-miala voly amin’ ny alalan’ ny fandraisanaanjara amin’ ny fiaraha-mientana izay aroson’ ny olona tsirairay ao amin’ ny fianakaviana.

• Inona avy ireo fomba izay mety hahatonga ny fiaraha-mientan’ ny mpianakavy homahafinaritra? Avelao ny zatovovavy hanadihady, ary antitrantero ireto hevitra manara-ka ireto:

1. Ny fiaraha-mientan’ ny mpianakavy dia tokony hamela ny olona tsirairay ao amin’ ny fianaka-viana hamboraka ny zavatra izay tena tiany sy hainy. Hazavao fa ao amin’ ny fianakavianairay, dia tia milomano i Benja, tia mitsidika tranom-bakoka i Baovola ary i Hery kosadia tia manangona bibikely. Noho izany, rehefa miala voly ny fianakaviana dia indrain-dray miara-milomano, indraindray dia miara-mitsidika ny tranom-bakoka izy ireo aryindraindray miara-manangona bibikely.

Hazavao fa samy azo ekena ny zavatra tiana sy mahaliana ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana; ary mampitombo ny fifankatiavany sy ny fifankahazoany ny olona aoamin’ ny fianakaviana rehefa manaiky sy mandray anjara amin’ ny zavatra izay tian’ny tsirairay. Indraindray dia afaka mamorona fiaraha-mientana izay mifanaraka amin’ny fahaizan’ ireo olona ao amin’ ny fianakaviana izay tanora, antitra, na manana areti-na mitaiza ny fianakaviana.

2. Zava-dehibe ny manana fijery mazava sy manohana rehefa mandray anjara amin’ ny fiaraha-mientan’ ny mpianakavy ianao. Hazavao fa raha ny lafy ratsiny hatrany no jerentsika ka

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Lesona

10

Page 49: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

40

manakiana ny hafa isika mandritra ny fiaraha-mientan’ ny mpianakavy, dia manjary tsyfialamboly intsony ilay fiaraha-mientana. Rehefa midera ny hafa sy mahafantatra nytoetra tsarany isika dia mampiseho fitiavana ary manampy ny hafa hahatsiaro sambatra.

Ireo hevitra sy toetran’ ny zatovo ao amin’ ny fianakaviana dia afaka manampy hanovany fiheverana ny fiaraha-mientan’ ny mpianakavy. Anontanio ny zatovovavy izay fihe-tsika tokony hananan’ izy ireo mandritra ny fiaraha-mientan’ ny mpianakavy mba ham-pitombo ny fifampitokisana sy hankahery ireo anadahy sy rahavavy ary ray aman-dreny.

3. Ny fandaminana ny fandaharam-potoanantsika mba hampisy fotoana ho an’ ny fialambolin’ nympianakavy dia mety hitaky fahafoizan-tena, fanomanana, ary fanovana ireo laharam-pahameha-na. Ny Fiadidiana Voalohany dia nilaza hoe: “Ny zatovolahy sy zatovovavy dia tokonyhampifandanja ny fandraisany anjara any am-pianarana sy ireo fiaraha-mientana ara-tso-sialy hafa amin’ ny alalan’ ny fandraisana anjara amin’ ny fiaraha-mientan’ ny mpianaka-vy sy ny fanokanana fotoana sahaza ao an-trano.” (Un foyer céleste [Manuel des soiréesfamiliales, 1980-81], p. iv)

• Araka ny eritreritrao ahoana ny fihetseham-pon’ ny olona ao amin’ ny fianakavianaraha zara fa mandray anjara amin’ ny fiaraha-mientan’ ny mpianakavy ny anadahy na rahavavy mbola zatovo iray?

Angataho ny zatovovavy mba hanadihady ireo vahaolana mahafinaritra amin’ ireto toe-javatra manaraka ireto:

Nandritra ny takarivan’ ny mpianakavy, dia nanomana ny hanao sakafo hariva ho an’ nyAsabotsy alina ny fianakavian’ i Tiana mba hankalazana ny fitsingerenan’ ny taona nahate-rahana sy ny batisan’ ny anadahiny. Nasaina ireo raibe sy renibe ary ireo havana akaikyhafa. Tamin’ ny andro nanaovana io sakafo hariva io, dia niantso an’ i Tiana ny namanymba hamonjy lanonana tamin’ io alina io. Te handeha mafy amin’ io lanonana io sy hiarakaamin’ ny namany i Tiana.

Nanana ny fandaharam-potoana momba ny asany mandritra ny herinandro i Hanitra.Indray mandeha ihany izy no tsy miasa alina. Niomana ny hitondra ny fianakaviany hoany amin’ ny fampisehoana kolotsaina hafa ny rainy tamin’ io alina io. I Hanitra kosaanefa dia niomana ny handeha hanatrika fampisehoana miaraka amin’ ny namany.

4. Mety tsy ho lafo ny fialambolin’ ny mpianakavy. Hazavao fa ny ankabetsahantsika dia metyhahita mora foana ireo hevitra ho an’ ny fialamboly izay lafo vidy. Fa ny fahatsapana nyzava-misy dia mamela antsika hanitatra ny eritreritsika sy ho tia karokaroka.

Eritrereto hoe te handeha any amin’ ny trano fisakafoana ny olona iray ao amin’ ny fia-nakaviana ho fiaraha-mientan’ ny mpianakavy. Mety ho afaka hanomana sy hanan-gom-bola ho amin’ ny fivoahana takariva toy izany ny olona ao amin’ ny fianakaviana.Nefa, raha lafobe ny fandehanana any amin’ ny trano fisakafoana dia inona no tokonyhataon’ ny fianakaviana miaraka mba hamaly ilay hetahetany?

Asaovy manome soso-kevitra ny zatovovavy. Afaka mamorona ny zavatra fahita anyamin’ ny trano fisakafoana ve izy ireo? Ahoana ny fomba nahafahan’ ny tsirairay aoamin’ ny fianakaviana mandray anjara amin’ ny fanomanana io takariva io? (Afakananao sakafo hafa kely, afaka nanomana latabatra voavoatra tsara, afaka nikarakara nysakafo ny fianakaviana manontolo. Mety hanao fampisehoana eo am-pisakafoana hari-va ny olona ao amin’ ny fianakaviana.)

• Araka ny eritreritrao, mety hitondra fahatsiarovana eo amin’ ny fianakaviana ve ilayfisakafoana harivan’ ny mpianakavy tao an-trano? Nahoana?

Mety Ho Tsotra na Sarotra ny Fiaraha-mientan’ ny mpianakavy

Soraty eny amin’ ny solaitrabe izao soratra masina manaraka izao: “Amin’ ny alalan’ ny zava-madinika sy tsotra no anatanterahana ny zavatra lehibe.” (Alma 37: 6)

Angataho ny zatovovavy mba hanome soso-kevitra amin’ izay fomba ahafahan’ ny fianakaviany manatanteraka ny sasany amin’ ireo soso-kevitra tsotsotra avy ao amin’ ilay kitapon’ ny fialambolin’ ny mpianakavy.

Fanadihadianaampiasanasolaitrabe

Famelabelaranaataon’ ny mpampianatra sy fanadihadiana

Fandalinanatoe-javatra syfanadihadiana

Page 50: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

41

NA

Angataho ny zatovovavy mba hanome soso-kevitra momba ny fiaraha-mientan’ nympianakavy izay tsy mitaky fanomanana manokana marobe. Asongadino fa ireo fiaraha-mientana ireo dia azo atao eo no ho eo. (Ireo soso-kevitra dia mety hahitana hoe: milalaoamin’ ny filatsahan’ ny oram-panala voalohany, manao kilalao ho an’ ny mpianakavy,mamboly zaridaina, na mba mijanona hitsidika mpiara-monina antitra iray.)

NA

Angataho ny zatovovavy mba hanome soso-kevitra momba ny fiaraha-mientan’ nympianakavy izay mitaky fanomanana mialoha sy sarotsarotra kokoa, toy ny miara-mia-natra zava-baovao, manorina na manamboatra zavatra, manomboka manao tetik’ asafanobiana sakafo, tetik’ asam-panasoavana iraisan’ ny mpianakavy, mandeha lavitra, na manomana fivoriam-pianakaviana. Rahoviana ary ahoana no fomba hilazan’ izy ireoizany soso-kevitra izany amin’ ny fianakaviany? Ahoana no ahafahany manao ny fano-manana ho ampahany amin’ ilay fiaraha-mientana.

Tantara Hazavao fa indraindray ny fiaraha-mientana tsotra ataon’ ny mpianakavy dia mety hitarika fahalianana mitohy sy fandraisan’ ny fianakaviana anjara.

Manana milina famolesana kofehy izay efa mihoatra ny zato taona ny fianakaviana irayany Autriche. Nanjary nahafinaritra azy ireo ny nianatra mamoly. Ilay rainy aza dia nia-natra ireo fombafomba tao anatin’ ny iray andro monja. Amin’ izao fotoana izao diamamoly amin’ izay fotoana mampahalalaka azy ny fianakaviana manontolo ary manam-boatra fitafiana tsara tarehy vita amin’ ny ba. Matetika dia mitendry ny gitarany sadymihira ny iray amin’ ny ankizivavy raha mamoly kosa ny hafa. Tsy vitan’ ny nanampyny fianakaviana ho tonga nahavita tena bebe kokoa fotsiny ihany ilay asa, fa koa nahasa-rika namana tsy mpikambana (jereo Richard M. Romney, “A Close-Knit Family,” NewEra, Jan. 1979, p. 27–29).

Hazavao fa indraindray ny fiaraha-mientan’ ny mpianakavy dia mety ho lasa fombafanao mitoetra ho an’ ny taranaka. Mety ho tian’ ny zatovovavy ny hanampy hanorinatetik’ asa iraisan’ ny mpianakavy na hanorina fomba fanao mitoetra ho an’ ny taranakaizay hanampy ny fianakaviany mba hahatsiaro na hankalaza toe-javatra manokana iray.Ny fianakaviana sasany dia nahavita zaitra tsara tarehy izay ahitana ny filamatry ny fianakaviana na soratra masina izay tiany indrindra eo aminy; ny hafa dia nametrakasarim-pianakaviana teny amin’ ny rindrina tamin’ ny fomba manokana; ny hafa kosa diananambatra bokikely misy sary sy tantaram-piainan’ ireo raibe sy renibeny. Ny sasanydia nianatra momba ny razambeny amin’ ny alalan’ ny firesahana ny momba azy ireoamin’ ny fitsingerenan’ ny taona nahaterahany.

Fanadihadiana Jereo ireo soratra masina eo amin’ ny solaitrabe.

• Inona ireo zava-dehibe mety hitranga noho ny fiaraha-mientana tsotra ataon’ ny mpianakavy? (Firaisan’ ny fianakaviana, fomba fanao mitoetra ho an’ ny taranaka, tetik’ asam-pianakaviana, fitomboan’ ny talenta.)

Famaranana

Teny nindramina Nanome torohevitra manokana ho antsika momba ny fanokanana fotoana iarahana amin’ny fianakaviana ny Fiadidiana Voalohany: “Miaraha mivory matetika ary zarao ny olanasy ny fahombiazana tamin’ ilay andro. Omano miaraka ireo asa sy fiaraha-mientana mbahahafahan’ ny tsirairay mizara sy mandray anjara hananana fianakaviana sambatra.Mampanantena izahay fa raha manao izany ianareo, ary raha mivavaka miaraka tsy tapa-ka ny olona ao amin’ ny fianakavianareo, miara-mihira, miara-mamaky sy manadihadyny soratra masina , ary mifampizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany, dia hitombony fitiavana sy ny filaminana ao an-tranonareo.” (Engagement personnel [Manuel des soirées familiales, 1979—80], p. v).

Hamafiso ny fampanantenana nomen’ ny Fiadidiana Voalohany fa hitombo ny “fitiavanasy filaminana” ao an-tranon’ izy ireo rehefa manampy ny fianakaviany hanana fiaraha-mientana tsy hay hadinoina izy ireo. Afaka manao zavatra betsaka mba hanampy ny fianakaviany hanana fiaraha-mientana mahafinaritra ny zatovovavy tsirairay.

Famelabelaranaataon’ nympampianatra.

Lesona 10

Page 51: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

42

Fampiharana ny lesona

Angataho ny zatovovavy amin’ ny ity herinandro ity mba hanohana ny vinavinan’ nympianakavy momba ny fiaraha-mientana na hanolotra soso-kevitra momba ny fiaraha-mientana handraisan’ ny fianakaviana anjara.

Soso-kevitra momba ny fiaraha-mientana

Azo omanina mandritra ny herinandro ny fiaraha-mientana iray mba hahafahan’ ny zatovovavy tsirairay manamboatra kitapon’ ny fialambolin’ ny mpianakavy ho an’ ny fianakavian’ izy ireo.

Page 52: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

43

Ny fifandraisana amin’ ireo havana

TANJONA Ny zatovovavy tsirairay dia haniry ny hanamafy ny fifandraisany amin’ ireo havany.

FANOMANANA 1. Manomàna dika mitovy amin’ ny taratasy misy ny fanontaniana hoe: “Iza moa aho?”ho an’ ny zatovovavy tsirairay. Manomàna pensilihazo.

2. Mampisehoa sary misy havana tafaraka.

3. Manendre mpianatra roa mba hiomana hizara ireo fomba izay anamafisan’ ny fianaka-vian’ izy ireo ny fifandraisany amin’ ny ireo havany.

4. Manendre mpianatra roa mba hilaza fohifohy ny tantaran’ i Rota sy i Naomy (jereoRota 1–4) ary i Mosesy sy Jetro (jereo Eksodosy 18:7–27).

5. Manendre mpianatra mba hanolotra ireo tantara, soratra masina na teny nindraminaizay nofidinao.

SOSO-KEVITRA HAMELABELARANA NY LESONA Fampidirana

Taratasy hozaraina Asaovy mameno ilay taratasy misy fanontaniana hoe “Iza moa aho?” ny zatovovavy tsirairay.

Iza moa aho?

Fenoy anarana betsaka izay azo ampiharina aminao araka izay azonao atao ny banga.

Izaho dia zanakavavin’ i

Izaho dia rahavavin’ i

Izaho dia zaobavin’ i

Izaho dia zafikelin’ i

Izaho dia zanak’ anabavin’ i / zanak’anadahin’ i

Izaho dia zanak’ olom-pianadahy amin’ i / zanak’olom-pirahavavy amin’ i

Izaho dia nenitoan’ i

Hazavao fa ny fianakaviana voalohany dia ny fitambaran’ ny ray aman-dreny sy nyzanak’ izy ireo; ny fianakaviana koa anefa dia ahitana ireo olona sasany toy ny raibe syrenibe, nenitoa, dadatoa, zanak’ olom-pianadahy, zanak’ olom-pirahavavy, anabavy syrahalahin’ ny vady, zanak’ anadahy sy zanak’ anabavy. Ireo olona manana rohim-piha-vanana hafa ireo dia antsoina hoe havana akaiky, ary afaka mampitombo ny tontolon’ ny mpianakavy.

Fanadihadiana Asaovy manisa ireo havany izay nosoratany ny zatovovavy. Asongadino fa ny ankabe-tsahan’ ny olona dia manana havana betsaka izay ahafahan’ izy ireo mampivelatra fifandraisana maharitra.

Tokony hanamafy ny fifandraisana amin’ ireo havantsika isika

Ny soratra masina dia manome ohatra antsika amin’ ny fomba nanorenan’ ny mpihavanafifandraisana mafy orina, ary nampisehoany fitiavana lehibe sy fifampitsinjovana. Ny oha-tra iray amin’ izany dia i Josefa izay namidin’ ireo rahalahiny tany Ejipta. Nanjary mpana-paka tany Ejipta i Josefa, ary ireo rahalahiny izay namadika azy dia tonga teo anatrehanymba hitady fanampiana. Tsy nahafantatra izy ireo fa izy no ilay rahalahiny izay namidiny

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Lesona

11

Page 53: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

44

taona maro lasa. Tokony ho mora tamin’ i Josefa ny namaly faty saingy ho solon’ izany dia nampanantena izy ny hanampy azy ireo, ary koa ny vadin’ izy ireo, ny zanakalahinysy zanakavaviny, ary ny fianakavian-drainy iray manontolo. (Jereo Genesisy 45; 47:11–12).Nanjary fitahiana lehibe ho an’ ny fianakaviany iray manontolo izy.

Asaovy milaza ny tantaran’ i Rota sy i Naomy (jereo Rota 1–4), ary i Mosesy sy i Jetro(jereo Eksodosy 18:7–27) ilay zatovovavy voatendry.

• Inona no azontsika ianarana avy amin’ ireo olona ireo momba ny tian’ ny Tompo hifanaovantsika amin’ ireo havantsika?

Teny nindramina Hazavao fa notoroana hevitra isika amin’ izao andro farany izao mba hampitombo nyfifandraisana akaiky amin’ ireo havantsika. Ny Filoha Spencer W. Kimball dia nilaza hoe: “Tokony hamporisihintsika ny zanatsika mba hahalala ny havany. Tokony hiresakamomba azy ireo isika; hiezaka ny hifanoratra aminy; hitsidika azy; ary hanotrona nyfikambanam-pianakaviana sns…” (tao amin’ ny Conference Report, Okt. 1974, p. 161; na Ensign, Nôv. 1974, p. 112).

Fanadihadiana • Nahoana araka ny hevitrao no zava-dehibe ny ahafatarantsika ny havantsika?

Asongadino ireto hevitra manaraka ireto: (1) Ny fitiavan’ ireo havantsika dia mahatongaantsika hahatsapa ho voaro, ary mahatonga antsika hahatsapa fiombonana. (2) Mananaandraikitra amin’ ny fanampiana ireo havantsika isika, ary tokony hahafantatra izay ilain’izy ireo mba hahafahantsika manampy raha ilaina izany. (3) Afaka manao fikarohana tsa-tsara kokoa momba ny tetiarana isika, ary manome ny anaran’ ireo havana hafa hanaova-na ny asan’ ny tempoly raha toa ka manao ny asa amin’ ny maha-mpihavana isika.

Afaka manamafy ireo fifandraisana ireo amin’ ny fomba maro isika

Hazavao fa moramora ny milaza hoe sahirana be isika, na lavitra loatra, na tsy manam-paniriana loatra ny hanamafy ny fifandraisantsika amin’ ireo havantsika. Nefa, rahamamakafaka kely sy manokana fotoana kely isika dia afaka manao zavatra amin’ ireohavantsika, izay ho tonga fahatsiarovana tena tiantsika tokoa.

Angataho ireo zatovovavy roa voatondro mba hizara amin’ ny kilasy ireo fomba nanamafisan’ ny fianakaviany ny fifandraisana tamin’ ireo havany.

Fanadihadiana • Inona ireo fomba hafa izay ahafahantsika manamafy ireo fifandraisana ireo?

Ny valin-teny dia mety hahitana ny fivoriam-pianakaviana; taratasy fifampitam-baovaon’ny mpianakavy; fiaraha-miasa amin’ ny tetiarana; fananganana na firotsahana amin’ nyfikambanam-pianakaviana, fanasana ny havana amin’ ny fitsingerenan’ ny taona nahate-rahana, batisa ary fanambadiana; fiaraha-miasa mba hanompo olona iray ao amin’ ny fianakaviana; fanampiana ny olona ao amin’ ny fianakaviana amin’ ny fotoana ilana vonjyna fotoan-tsarotra

Tantara Hazavao fa ny fomba iray hanamafisana ny fifandraisana amin’ ny havana dia ny fano-manana fotoana hiaraha-mifaly na hialana voly izay hampitambatra ny mpikambana aoamin’ ny fianakaviana. Izany fiaraha-mientana izany dia mety ho fitsangatsanganana,fankalazana ny fitsingerenan’ ny taona nahaterahana, fakana rivotra miaraka, na fifampitsidihany any an- tokantrano fotsiny.

• Inona avy ireo fiaraha-mientana nahafinaritra anao niarahana tamin’ ireo havanao?

Ny fomba iray hahafahana manamafy ny fifandraisana amin’ ny fianakaviana lavitra dia amin’ ny alalan’ ny fifanoratana, araka izay aseho ao amin’ ity tantara momba nyzatovovavy iray sy ny renibeny ity.

Te hanome zavatra manokana ho an’ ny renibeny i Holy tamin’ ny fitsingerenan’ nytaona nahaterahany. Nipetraka teo akaikin’ ny renibeny hatramin’ ny taona farany taoamin’ ny ambaratonga fahatelo i Holy, ary rehefa izany dia nifindra trano ny fianakavia-ny. Tsy nifankahita firy toy ny teo aloha tamin’ ny renibeny i Holy amin’ izao fotoanaizao. Nanapa kevitra ny hanoratra taratasy ho an’ ny renibeny i Holy, ary noraketiny tao anatin’ izany ireo fahatsiarovana manokana rehetra izay niarahan’ izy ireo nizara.Namboraka ny fitiavany, ny fankasitrahany ary ny fisaorany izy. Faly loatra ny renibeny,ka nitomanin-kafaliana. Nanomboka hatramin’ izay dia nolazainy im-betsaka tamin’ i

Fanoloranaataon’ nympianatra

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Fanoloranaataon’ nympianatra

Page 54: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

45

Holy ny lanjan’ izany taratasy izany taminy. Novakiny sy naveriny novakina ilay taratasy, ary nandefa dika mitovy tamin’ izany tamin’ ny olona marobe ao amin’ ny fianakaviana mihitsy aza izy.

Fanadihadiana • Araka ny hevitrao, nahoana no namaly toy izany ilay renibeny? Inona no tokony hataonao mba hanorenana fifanakaikezana toy izany amin’ ny raibe sy renibenao, na amin’ny olona hafa ao amin’ ny fianakaviana?

Mitondra fitahiana ny fifandraisana amin’ ny havana

Hazavao fa ny ankabetsahan’ ny olona izay mipetraka lavitra ny tranony, ny fianakavia-na, ary ny havany amin’ ny fotoana maharitra dia hahalala tsy ho ela ireo tombon-tsoamarobe amin’ ny fifandraisana matanjaka eo amin’ ny fianakaviana. Moramora anefa ny tsy mankasitraka ireo tombon-tsoa ireo rehefa eo akaikintsika lalandava izy ireo.

Mety handao ny tokantranony mba hianatra na hiasa ny sasany amin’ ireo zatovovavyrehefa afaka taona vitsivitsy. Asaovy maka sary an-tsaina ny mpianatra rehetra ao an-dakilasy fa nandao ny tranony izy ireo, ary tsy misy havana mihitsy akaiky azy. Asaovylazainy ireo zavatra izay tena tsaroany fa banga raha ho lasa lavitra ireo olona ao amin’ny fianakaviana ireo izy. (Ny valin-teny dia mety hahitana hoe: sakafo harivan’ ny mpia-nakavy, fifankahazoana** am-po tamin’ ny zanak’ olom-pianadahy na zanak’ olom-pira-havavy, fitrotroana zanak’ anadahy na zana-drahavavy vao teraka, firesahana amin’ nynenitoa izay tena tiana tokoa, fitaingenana ny soavalin’ i dadatoa, fahitana ny tsiky fenohafalian’ ny renibe sy ny fihinanana ny sakafo matsiro amboariny, sy ireo kilalao, fety,ary ireo fankalazana iaraha-manao.

Hazavao fa na mipetraka akaiky na lavitra ireo havana aza isika dia tokony hanome lanjany sy hikajy ireo fitahiana marobe izay entin’ izany eo amin’ ny fiainantsika.

Ny Loholona Vaughn J. Featherstone dia nilaza ny fomba nananan’ ny renin’ ny renibenyakony lehibe teo amin’ ny nenitoany.

“Manana nenitoa Beryl Hollindrake mahafinaritra izay aho. Nilaza tamiko izy fa fony izymbola telo na efa-taona, dia niampofo azy ny renin’ ny renibeko, ny Renibeny Featherstone,ary nitantara taminy ny momba ny Mpamonjy, ireo tantara marobe mahafinaritra. Tadidinyavokoa ny fitantaran’ ny renin’ ny renibeko azy momba ny fampijaliana ny Mpamonjy, nynikapohana Azy sy nanozonana Azy ary ny nandrorana Azy—ny nitaritaritana Azy sy nynanerena Azy teo amin’ ny hazo fijaliana, ary ny nandetehana fantsika lehibe tamin’ nytanany tamin’ ny fomba mahatsiravina. Hoy izy: “Rehefa nilaza ireo tantara ireo tamiko nyrenibeko, dia nirotsaka teo amin’ ny tavany ny ranomasony”. Dia hoy izy: “Teo am-pofoan’ny renibeko no nianarako tia ny Mpamonjy tamin’ ny foko sy ny fanahiko manontolo’” (tao amin’ ny Conference Report, Okt. 1974, p. 39; na Ensign, Nôv. 1974, p. 30)

• Moa ve nisy havanao nanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona anananaomomba ny filazantsara? Tamin’ ny fomba ahoana?

Famaranana

Ampahatsiahivo ny zatovovavy fa ny havana dia tena fitahiana tokoa ho azy ireo.Tokony hanaraka ny torohevitra izay omen’ ny mpitarika azy izy ireo, ary hanokanafotoana sy hanao fiezahana mba hanamafy ireo fifandraisana ireo. Ireo fifandraisana ireodia hanatsara ny fiainany, ary ho fampiononana sy hery izay azony ianteherana.

Fampiharana ny Lesona

Asaovy mifidy havana iray izay tiany ho akaiky azy kokoa ny zatovovavy ary hampiasany iray amin’ ireo fomba izay nohadihadiana tao amin’ ny lesona mba hanamafisanaizany fifandraisana izany.

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Fampiasana syfanadihadiana

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Lesona 11

Page 55: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3
Page 56: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

Fianarana momba ny Fisoronana

Page 57: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

48

Ny fitahiana amin’ ny Fisoronana

TANJONA Ny zatovovavy tsirairay dia hahafantatra bebe kokoa momba ny fisoronana sy ny fitahianaavy amin’ ny herin’ ny fisoronana.

FANOMANANA 1. Sary faha-8, Latabatra voaomana ho an’ ny fanasan’ ny Tompo; sary faha-9,Zatovovavy atao batisa; sary faha-10, Zazavavy raisina ho mpikambana. Hita anyamin’ ny faran’ ny boky fampianarana avokoa izany.

2. Manaova peta-drindrina misy ny faribolan’ ny fisoronana izay aseho ao amin’ ny lesona

3. Rehefa nahazo lalana avy amin’ ny mpitarika ny fisoronana ianao, dia iangavio ny rain’ny mpianatra iray, na mpihazona ny Fisoronan’ i Melkizedeka iray hafa mba hanadiha-dy ireo fomba vitsivitsy izay nampiasany ny fisoronany mba hitahiana ny hafa.

4. Manendre zatovovavy mba hanolotra ireo tantara, soratra masina, na teny nindraminaizay tianao.

SOSO-KEVITRA HAMELABELARANA NY LESONA Fampidirana

• Inona no atao hoe fisoronana?

Teny nindramina Vakio izao teny nindramina manaraka izao, na fintino amin’ ny fiteninao izany fanamba-rana izany:

“Ny fisoronana dia hery sy fahefan’ Andriamanitra. Efa niaraka Taminy izany hatranyam-piandohana, ary tsy hitsahatra ny hisy mandrakizay (jereo Fotopampianarana syFanekempihavanana 84:17). Amin’ ny alalan’ izany no amoronany, anohanany, anjakany,anavotany, ary anandratany.

“Ny fahefan’ ny fisoronana dia omen’ Andriamanitra ny lehilahy mpikambana mendrikaao amin’ ny Fiangonana, izay mandray izany amin’ ny alalan’ ny faminaniana sy fame-trahan-tanana avy amin’ ireo mpanompony mahazo lalana (jereo ny Fanekempinoana1:5; Hebreo 5:1, 4). Ny fisoronana dia manome lalana ny mety maty mba hiasa amin’ nyanaran’ Andriamanitra ho famonjena ny fianakavian’ olombelona. Amin’ ny alalan’ izanyno mety hahazoany lalana hitory ny filazantsara, hanatontosa ireo ôrdônansin’ ny famon-jena, ary hitantana ny Fanjakan’ Andriamanitra et˜ an-tany” (Manuel du dirigeant de laPrêtrise de Melchisedek, p.1).

Manana Fisoronana anankiroa isika: ny an’ i Aharôna sy i Melkizedeka

• Inona no anaran’ ireo fisoronana roa ao amin’ ny Fiangonana?

• Inona avy ireo fahasamihafana misy eo amin’ izy ireo?

Asaovy vakin’ ny zatovovavy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:1, 6–8

• Inona avy ireo anjara asa ao amin’ ny Fisoronan’ i Aharôna?

Hazavao fa ny anjara asa ao amin’ ny Fisoronan’ i Aharôna dia diakona, mpampianatra,mpisorona ary eveka. Na izany aza anefa, ny eveka dia voafidy avy amin’ ny Fisoronan’ i Melkizedeka, satria ireo izay mihazona ny Fisoronan’ i Melkizedeka dia manana fahefa-na hiasa ao amin’ ireo anjara asa rehetra amin’ ny fisoronana ambanimbany (jereoFotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:14–15; 107:14–17).

• Inona ny sasany amin’ ireo andraikitry ny mpihazona ny Fisoronan’ i Aharôna?

Asaovy vakin’ ny zatovovavy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana fizaranafaha-13.

Famakafakanasoratra masina

Lesona

12

Page 58: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

49

Hazavao fa ny mpihazona ny Fisoronan’ i Aharôna dia mizara ny fanasan’ ny Tompo,manangona ny fanomezana avy amin’ ny fifadiankanina, ary manampy ny eveka amin’ny fitsinjovana ireo mpikambana ao amin’ ny paroasy. Ireo izay mpisorona dia afakamanamasina ny fanasan’ ny Tompo sy manao batisa ireo mpikambana vaovao.

• Inona avy ireo anjara asa ao amin’ ny fisoronan’ i Melkizedeka?

Hazavao fa ny anjara asa ao amin’ ny Fisoronan’ i Melkizedeka dia loholona, mpisoronaavo, patriarka, Fitopololahy ary Apôstôly. Ireo izay mihazona io fisoronana io dia mana-na fahefana hanatontosa ireo tsodrano ara-panahy ao amin’ ny Fiangonana (jereoFotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:18). Rehefa miasa eo ambany fitarihan’ny manampahefana miahy izy ireo dia afaka manao batisa, manolotra ny fanomezana nyFanahy Masina, manokana lehilahy ho ao amin’ ireo anjara asa ao amin’ ny fisoronana,ary manatanteraka ny ôrdônansin’ ny famehezana any amin’ ny tempoly. Afaka mame-tra-tanana amin’ ny marary ihany koa izy ireo ary manatanteraka ôrdônansy hafa. Afakamanatanteraka ireo asa rehetra ao amin’ ny Fisoronan’ i Aharôna izy ireo.

Ireo lehilahy izay voafidy handray ny Fisoronan’ i Melkizedeka dia mandray eo aminyny adidy lehibe izay antsoina hoe voady sy fanekempihavanana amin’ ny fisoronana.

Asaovy mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:33–44 ny zatovovavy aryhanadihady ilay andalana. Soraty eny amin’ ny solaitrabe izao fanazavana manaraka izao.

• Inona no fampanantenana omen’ ny mpihazona ny fisoronana an’ ny Tompo?

• Inona no fampanantenana omen’ ny Tompo ireo mpihazona ny fisoronana izay manajany voady sy ny fanekempihavanana amin’ ny fisoronana?

• Araka ny hevitrao, inona no tian’ ny Tompo holazaina raha nampanantena ny mahatoky“izay rehetra ananan’ ny Raiko”? (Mampanantena ny fiainana mandrakizay Izy.)

Fitahiana lehibe no ho tonga eo amin’ ny lehilahy sy vehivavy amin’ ny alalan’ ny fisoronana

Fanadihadiana Hazavao fa afaka mitondra fitahiana lehibe ho an’ ny hafa ny mpihazona ny fisoronanaraha manaja ny fanekempihavanany amin’ ny fisoronana izy ireo.

Solaitrabe sy sary Asaovy mandinika izao fanontaniana izao ny kilasy: Inona ireo fitahiana avy amin’ nyfisoronana izay azon’ ny vehivavy rehetra ao amin’ ny Fiangonana raisina? Asehoy amin’ny fotoana mahamety izany mandritra ny fanadihadiana ireo sary amin’ ny ôrdônansin’ny fisoronana.

Soraty eny amin’ ny solaitrabe ny soso-kevitr’ ireo zatovovavy. Ataovy azo antoka tsarany hananan’ ny tsirairay fotoana handraisana anjara. Ny valin-teniny dia mety hahitanaizao manaraka izao: batisa ho famelan-keloka, fandraisana ho mpikambana sy fandraisanany fanomezana ny Fanahy Masina, ny fanasan’ ny Tompo, fanafiana masina any amin’ nytempoly, fanambadiana any amin’ ny tempoly, ôrdônansin’ ny tempoly ho an’ ny maty,fanomezana anarana sy fitsofan-drano ny zaza, tsodranon’ ny raim-pianakaviana, fame-

Fanekempihavanana amin’ ny Fisoronana

Mampanantena ireo mpihazona ny fisoronana Andriamanitra fa

1. Hohamasinina amin’ ny alalan’ ny Fanahy Masina izy ireo

2. Hohavaozina ny vatany

3. Ho tonga mpandova voafidin’ Andriamanitra izy ireo

4. Handray ny Ray sy ny Zanaka izy ireo

5. Handray izay rehetra ananan’ ny Ray izy ireo ary ho lasa andriamanitra

Mampanantena an’ Andriamanatra ireo mpihazona ny fisoronana

Handray ny fisoronana ary hilofo amin’ izany Voady izany

Fanadihadianaampiasanasolaitrabe

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Page 59: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

50

trahan-tanana amin’ ny marary, tsodranon’ ny patriarka, fanokanana ho amin’ ny asafanompoana ao am-piangonana, fandraisana mpampianatra isan-tokantrano, tafa sy dinika manokana miaraka amin’ ny mpikambana ao amin’ ny episkôpà.

Ampio ny zatovovavy mba hahita fa ny maro amin’ ireo fitahiana tena manan-danja eo amin’ ny fiainantsika dia avy amin’ ny fisoronana.

Peta-drindrina Asehoy ilay peta-drindrina misy ny faribolan’ ny fisoronana. Hazavao fa ireo fizarazara-na ao amin’ ny faribolana dia mampiseho ny lalana izay anomezan’ ny Ray any an-dani-tra ny fitahiana avy amin’ ny fisoronana ho an’ ny mpikambana ao amin’ ny Fiangonana.

Hazavao fa ny fitahiana avy amin’ ny fisoronana dia omena ny vehivavy rehetra aoamin’ ny Fiangonana, na misy na tsy misy mpihazona ny fisoronana ao an-tranony. Ny fitahiana rehetra izay voalaza tato amin’ ity lesona ity dia azo raisina avy amin’ ireo mpihazona ny fisoronana izay voasoratra eo amin’ ilay faribolan’ ny fisoronana.

Tantara Lazao ity tantarana zatovovavy izay nandray fitahiana lehibe avy amin’ ny alalan’ ny herin’ ny fisoronana manaraka ity.

Jane Snyder Richards dia teraka tamin’ ny taona 1823 tany Etazonia Amerika. I Robertanadahiny, raha teo ambavahoan’ ny fahafatesana dia namaky momba ny batisa asitrikatao amin’ ny Testamenta vaovao, ary nivavaka mba hahafantatra izay ho afaka hanatan-teraka izany ôrdônansy izany araka ny tokony ho izy. Reny mazava tsara tao an-tsainyny anarana hoe “John E. Page”. Tat˜ aoriana vao nahalala izy fa i John E. Page dia misiô-nera avy ao amin’ ny Fiangonana izay tonga mba hitory tao amin’ izany faritra izany.Taorian’ ny fangatahany hatao batisa sy fandraisany ny tsodranon’ ny fisoronana avyamin’ ny Loholona Page, dia sitrana tamin’ ny aretiny i Robert ary nandeha nanao batisaolona aman-jatony.

Fony i Jane enina ambin’ ny folo taona, dia vita batisa ny ankabetsahan’ ny fianakaviany,fa i Jane kosa dia mbola tsy natao. Nihanarary mafy izy, ary tsy nisy dokotera nahita nyfitsaboana atao. Niverina avy any amin’ ny asa fitoriana nataony i Robert, ary tonga nitsidika azy. Toy izao no filazan’ i Jane:

“Rehefa niverina izy ary nahita ahy narary mafy, dia nanahy mafy izy ary nifady haninasy nivavaka ho ahy . . . tsy nisotro rano na nisakafo nandritra ny telo na efatra andro. . . .Nankao amin’ ny efitranoko izy, ary nampandry ny tavany teo akaikin’ ny ahy teo ambo-ny ondana sady nilaza hoe: ‘Ranabavy, raha mba efa vita batisa mantsy ianao.’

“Ny ampitso maraina . . . dia nalemy aho ary toa efa ho faty mihitsy. Tsy afa-niteny nanihetsika aho; na izany aza anefa, dia afaka nahatakatra ny zavatra rehetra aho ary afakamanatoka ny lohako. Nitomany teo akaikiko ny anadahiko ary nilaza indray fa niriny nynanaovana batisa ahy. Ary dia nanontany izy raha afaka manosotra diloilo sy mivavakaho ahy …. Raha mbola nivavaka izy dia nisy hazavana tonga tao an-tsaiko, ary hitakomazava tsara toy ny hoe boky nisokatra teo anoloako, ary voasoratra tao anatin’ izany

Andriamanitra no loharanon’ ny fitahiana rehetra

Mpampianatra isan-tokantrano

EvekaFilohan’

ny tsatòka

Manampahe-fana

Ambony

Patriarka

Namana izay mpihazona

mendrika ny fisoronana

Manome ny fitahiany ho an’ ny rehetra ny Ray any an-danitra

Vady, ray na anadahy ao an-tranoMpitarika

ny kôlejin’ ny fisoronana

Page 60: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

51

ny ilana ny hanaovana batisa ahy. Raha i Kristy izay tsy nanota aza nilaina hatao batisa,tokony hihevitra ny tenako ho tsara noho Izy ve aho?

“Tamin’ izay fotoana izay, dia nandao ahy ny fanaintainana rehetra. Lasa ilay fahaleme-na. Nalemilemy fotsiny aho. Rehefa nitsangana avy eo am-pandohalihana ny anadahiko,dia . . . nangataka ny hatao batisa aho. Nanakana izy satria tena tao anatin’ ny ririnina nyandro tamin’ izany, ary tsy maintsy vakina ny ranomandry, ary mety hahafaty ny firotsa-hana ao amin’ izany. Na izany aza anefa dia tsy natahotra ny fahafatesana aho—tsymaintsy atao batisa fotsiny aho.

“Vokatry ny fikirizako dia nentina teny amin’ ny farihy aho ny ampitso, ary ranomandrymatevina efa ho iray ampahatelon’ ny metatra no tsy maintsy novakina. Olona marobe notonga nanatrika. Ny sasany tamin’ izy ireo dia nilaza fa hosamborina ny anadahiko rahamanitrika ahy amin’ izao toe-pahasalamana ratsy misy ahy izao. Na izany aza anefa dianatao izany, ary salama tsara aho nanomboka tamin’ izany fotoana izany …. Nolazaiko nyolona fa sitrapoko izany rehetra izany; ary tsy noterena hanao izany aho akory, … ary tsytokony hanisy ratsy ny anadahiko izy ireo satria nanao ny asan’ Andriamanitra izy kahosazin’ Andriamanitra izy ireo raha manembatsembana. Tsy nosamborina i Robert , ary i Jane izay tsy narary tamin’ ny fanaovana izany dia sitrana tamin’ ny fomba mahagaga.(Autobiographical sketch of Jane Snyder Richards, tao amin’ ny LDS HistoricalDepartment, p. 1–7.)

• Tamin’ ny fomba ahoana no nitahian’ ny fisoronana an’ i Jane? (Nametra-tanana tami-ny ny anadahiny raha narary izy. Nataony batisa izy ka sitrana sy nahazo fijoroana hovavolombelona momba ny filazantsara.)

• Inona no nahaliana anao momba an’ i Jane? Inona no azonao ianarana avy amin’ nyfiainany?

Teny nindramina Manaova famintinana amin’ ny alalan’ ny famakiana ireto teny nindramina manaraka ireto:

“Ny fisoronana dia ho fitahiana ny rehetra—ny lehilahy, ny vehivavy, ary ny ankizy. Avyamin’ ny alalan’ ny fisoronana dia mandray sy manatanteraka ny ôrdônansin’ ny filazan-tsara isika, toy ny batisa, ny fandraisana ho mpikambana, ny fanasan’ ny Tompo, ny ôrdô-nansin’ ny tempoly rehetra, anisan’ izany ny famehezana mandritra ny androm-piainanasy mandrakizay, ary ny asa ho an’ ny maty. Amin’ ny alalan’ ny herin’ ny fisoronana diasitrana ny marary, atsangana ny malemy, ampahiratina ny jamba, ary ampahenoina nymarenina, araka ny finoan’ izy ireo sy ny sitrapon’ ny Raintsika any an-danitra. Ny fitahia-na avy amin’ ny fisoronana dia mampionona ireo malahelo, ary manampy ireo izay tra-pahavoazana” (N. Eldon Tanner, “The Priesthood of God,” Ensign, Jona 1973, p. 6).

“Ny zatovovavy sy ny zatovolahy dia manana antony hifaliana amin’ ny famerenanaamin’ ny laoniny ny [fisoronana]. Mifaly isika … satria tafaverina amin’ ny laoniny nyfisoronona mba hitahy ny fianakavian’ olombelona manontolo. Ny fahefan’ ny fisoronana,raha ampiasaina amin’ ny fahamarinana, dia mampiray ny lehilahy sy ny vehivavy, nyzanakalahy sy zanakavavy, ary ny fianakaviana. Manana antony hiaraha-mifaly isika. Nyfiarahana ao amin’ ny fahamarinana dia tena fototry ny drafitry ny Raintsika any an-dani-tra ho an’ ny zanany lahy sy zanany vavy. Drafitra mahatalanjona izany, izay ananantsikarehetra anjara.” (Ardeth G. Kapp, “Together in Righteousness,” New Era, Jona 1986, p. 20).

Angataho ilay ray voatendry mba hanadihady ireo fomba sasantsasany izay nampiasanyny fisoronany hitahiana ny manodidina azy.

Fanadihadiana • Ahoana no ahafahan’ ny vehivavy mandray bebe kokoa ny fitahiana avy amin’ ny fisoronana?

Antitrantero fa raha miaina amin-pahamendrehana isika dia afaka mandray fitahianamahafinaritra avy amin’ ny fisoronana.

Famaramana

Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ireo fitahiana izay azon’ ny fiso-ronana entina eo amin’ ny fiainantsika. Antitrantero fa satria ny hery sy ny fitahiana avyamin’ ny fisoronana dia tena zava-dehibe eo amin’ ny fiainantsika, dia manana andraiki-tra hahatakatra ny fisoronana ny zatovovavy tsirairay, ary handrisika ireo zatovolahymba hilofo amin’ ny antsony. Zava-dehibe ny hiainany amin-pahamendrehana ary nyhifidianany mpihazona ny Fisoronan’ i Melkizedeka mendrika mba ho vadiny.

Fijoroana hovavolombelona

Fanoloran’ nyolona nasaina

Lesona 12

Page 61: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

52

Afaka mitahy ny fianakaviana ny fisoronana

TANJONA Ny zatovovavy tsirairay dia hahafantatra ny fomba hitahian’ ny fisoronana ny fianakaviana.

FANOMANANA 1. Manomàna taratasy sy pensilihazo ho an’ ny zatovovavy tsirairay avy.

2. Manomàna dika mitovy amin’ ny taratasy hozaraina misy hoe “Ny Andraikitry nyray”, ho an’ ny zatovovavy tsirairay.

3. Manendre zatovovavy mba hanolotra ireo tantara, soratra masina na teny nindraminaizay nofidinao.

Fanamarihana: Ny zatovovavy sasany ao amin’ ny kilasinao dia mety tsy hanana mpihazo-na ny fisoronana ao an-tranony amin’ izao fotoana izao. Aoka mba hiraika amin’ ny fihetse-ham-pon’ ireo zatovovavy ireo mba tsy hahatonga azy ho kivy amin’ ity lesona ity. Tokonyhanaja ny rainy ny zatovovavy na mpihazona ny fisoronana izy na tsia. Ny fitsipika ampia-narina ato amin’ ity lesona ity dia azo ampiharina ao an-tranony amin’ izao fotoana izaoraha azo atao, ary tokony hianarana mba hampiharina any an-tokantranony ho avy.

SOSO-KEVITRA HAMELABELARANA NY LESONA Tokony hitarika ny fianakaviany amin’ ny fahamarinana ny mpihazona ny fisoronana

Vakio sy hadihadio ireto teny nindramina manaraka ireto:

“Nanambara tamin’ ny alalan’ ny mpaminaniny Andriamanitra fa ny lehilahy dia tokonyhandray ny fisoronana, ho tonga raim-pianakaviana; ary omban’ ny halemem-panahy syfitiavana madio sy tsotra, dia tokony hitarika sy hamelona ny fianakaviany amin’ nyfahamarinana izy ireo, toy ny nitarihan’ ny Mpamonjy ny Fiangonana (jereo Efes. 5:23).Efa nomena azy ireo ny andraikitra voalohany ho amin’ ny zavatra ilain’ ny fianakavianaeo amin’ ny lafiny ara-nofo sy ara-batana (Jereo Fotopampianarana syFanekempihavanana 83:2)” (M. Russell Ballard, Ensign, Nôv. 1993, p. 90).

“Tsy misy fahefana ambony kokoa amin’ ny zavatra mikasika ny fikambanam-pianaka-viana, ary indrindra indrindra raha olona iray izay mihazona ny fisoronana ambonykokoa no miahy io fikambanana io, noho ny an’ ny raim-pianakaviana. Io fahefana io diavoahaja hatramin’ izay, ary teo anivon’ ireo olon’ Andriamanitra tamin’ ny fotoanandrorehetra, dia nohajaina tanteraka izany, ary matetika dia antitranterin’ ny fampianaran’ireo mpaminany izay nentanin’ Andriamanitra. Ny lamina patriarka dia avy amin’Andriamanitra, ary hitohy mandritra ny androm-piainana sy mandrakizay”. (Joseph F. Smith: “The Rights Of Fatherhood,” Juvenile Instructor, 1 Mar. 1902, p. 146).

• Inona avy ireo andraikitra izay nomen’ Andriamanitra ny raim-pianakaviana?

• Amin’ ny fomba ahoana no ahafahan’ ny mpihazona ny fisoronana marina mitahy ny fianakaviany?

Hazavao fa nomen’ ny Tompo andraikitra ny raim-pianakaviana mba hitarika ny fiana-kaviany amin’ ny fahamarinana amin’ ny alalan’ ny fampiasana ny herin’ ny fisoronana.Izany fitarihana izany dia afaka mitondra fitahiana lehibe eo amin’ ny fianakaviana. Rahatsy misy raim-pianakaviana ao an-trano, na raha tsy mihazona ny fisoronana ny raim-pianakaviana, dia afaka mandray ny fitahiana avy amin’ ny fisoronana ny fianakavianaamin’ ny alalan’ ireo havana mendrika, ny eveka na filohan’ ny sampana, ny mpitarikany kôlejy, ary ny mpampianatra isan-tokantrano izay voatendry hiandraikitra izany fia-nakaviana izany. Ny fitahiana avy amin’ ny fisoronana dia natao ho an’ ny mpikambanarehetra ao amin’ ny Fiangonana.

Teny nindraminasy fanadihadiana

Lesona

13

Page 62: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

53

Hazavao fa ny Tompo dia nanome torolalana ho an’ ny mpitarika ny fisoronana amin’ ny fomba hitarihan’ izy ireo ny fianakaviany. Asaovy vakin’ ny zatovovavy nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:41–45.

• Inona avy ireo toetrana mpitarika izay tokony hananan’ ny mpihazona ny fisoronana?

Azonao soratana eny amin’ ny solaitrabe izy ireny, raha tianao, toy ny fandresen-dahatra,fahari-po, fahalemem-panahy, fitiavana madio, hatsaram-panahy, fahalalana madio,manitsy rehefa entanin’ ny Fanahy Masina, mampiseho fitiavana, fiantrana ary eritreritratsara hatrany. Avereno jerena miaraka amin’ ny zatovovavy ny dikan’ ny sasany amin’ireo teny ireo mba ho azo antoka tsara fa takatr’ izy ireo izany.

• Ahoana no ho fihetseham-ponao raha tarihin’ ny olona iray izay manana ireo toetraireo ianao?

Manana andraikitra marobe ny raim-pianakaviana

Fanadihadiana Hazavao fa manana andraikitra marobe manan-danja ny raim-pianakaviana rehefa mie-zaka ny hitarika ny fianakaviany amin’ ny fahamarinana. Asaovy milaza ireo andraikitrasasany izay hananan’ ny raim-pianakaviana ny kilasy.

Taratasy hozaraina Zarao ireo dika mitovy amin’ ireo taratasy hozaraina izay efa nomaninao. Asaovy mama-ky ny fanambarana tsirairay ary hanadihady izany ny mpianatra. Hazavao fa io lisitra iono filamatra izay ny amin’ izany no iasan’ ny raim-pianakaviana mendrika rehetra.Asongadino ao amin’ ny fanadihadiana ataonareo fa ny zatovovavy dia tokony hanampyny rainy, rehefa miezaka ny hanatontosa ireo tanjona mendrika ireo.

Ny andraikitry ny raim-pianakaviana

1. Ny raim-pianakaviana dia natao ho lohan’ ny tokantranony araka ny fomba nampiana-rin’ ny Tompo (jereo Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:41–45).

2. Ny raim-pianakaviana dia manana andraikitra mba hamatsy ny ilain’ ny vatana syhiaro ny fianakaviany (jereo Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 83:2, 4–5).

3. Ny raim-pianakaviana dia tia ny zanany ary mampianatra azy ireo ny filazantsara(jereo Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25–28).

4. Ny raim-pianakaviana izay mihazona ny fisoronana dia manana zo sy andraikitra mba—

• Hanome tsodrano fampaherezana ny vadiny sy ny zanany.

• Hametra-tanana amin’ ny marary ao amin’ ny fianakaviany.

• Handray aingam-panahy sy fanambarana ho an’ ny fianakaviany.

• Hanome anarana sy hitso-drano, hanao batisa, handray ho mpikambana, ary hanokana ny zanany, eo ambany fitarihan’ ny eveka.

5. Ny raim-pianakaviana dia mandrisika ireo olona mendrika ao amin’ ny fianakavianamba hanao asa fitoriana sy handray ireo fitahiana any amin’ ny tempoly.

6. Ny raim-pianakaviana dia mitandrina ny didy ary mampiseho ohatra tsara ho an’ ny zanany.

7. Ny raim-pianakaviana dia namana mendrika ny vadiny.

8. Ny raim-pianakaviana dia mifanakalo hevitra matetika amin’ ny fianakaviany arymanao izay hisiana fifandraisana tsara amin’ ireo olona ao amin’ ny fianakaviana.

Asaovy tahirizin’ ny zatovovavy io lisitra io. Rehefa miaraka amin’ ny olona izy ireo arymiomana amin’ ny fanambadiana, azony atao raha tiany ny mijery io lisitra io mba hahi-tana raha toa ka ho raim-pianakaviana tsara ilay zatovolahy. Ny zatovovavy dia tokonyhanolo-tena hanampy ny zatovolahy hampivelatra ireo toetra ireo.

Vakio amin’ ny kilasy ireto fandalinana toe-javatra manaraka ireto. Mangataha soso-kevi-tra amin’ ny fomba ahafahan’ ny raim-pianakaviana mitahy sy mitarika ny fianakavianyao amin’ ny toe-javatra tsirairay. Aorian’ ny fotoana hilazalazan’ ny kilasy ny hevinymomba ny toe-javatra tsirairay, dia vakio ireo soso-kevitra raha toa ka tsy mbola voalaza.

Fandalinana toe-javatra

Famakafakanasoratra masina

Page 63: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

54

Fandalinana Toe-javatra 1

Misy zanaka enina ny fianakavian’ i Thomas. Mbola zatovo ny telo amin’ izy ireo, ary nysisa kosa dia latsaky ny roa ambin’ ny folo taona. Ny vavimatoa dia mpilalao baolinakitra; ary ny sisa amin’ ireo ankizy dia mandray anjara koa amin’ ny fiaraha-mientanaany an-tsekoly sy any am-piangonana. Manana namana marobe izy ireo, ary faly er˜ aoamin’ ny paroasiny sy any amin’ ny misy azy. Nahita asa tsaratsara kokoa any amin’ nyfaritra hafa ao amin’ ny firenena ny Rahalahy Thomas. Mandia fotoan-tsarotra amin’ ny fanapahan-kevitra ny amin’ izay hatao ny fianakaviana. Ahoana no ahafahan’ nyRahalahy Thomas mampiasa ny fisoronany mba hanampy azy ireo handray izay fanapahan-kevitra marina?

Soso-kevitra: Afaka mampiantso fivoriana filan-kevitra izay ahafahan’ ny mpikambanarehetra ao amin’ ny fianakaviana mamboraka ny fihetseham-pony ny Rahalahy Thomas.Afaka mangataka ny fianakaviana hiara-mifady hanina sy hivavaka izy ka hitady fitari-hana avy amin’ ny Ray any an-danitra. Amin’ ny maha-lohan’ ny fianakaviana azy, nyraim-pianakaviana dia tendren’ ny Tompo handray fanambarana ho an’ ny zavatra ilain’ny fianakaviana. Ny sisa ao amin’ ny fianakaviana kosa dia afaka mifanakalo hevitraaminy, manolotra soso-kevitra, ary mitady fanamafisana ny amin’ ilay hevitra tapakaamin’ ny alalan’ ny Fanahy Masina.

Fandalinana toe-javatra 2

Zatovovavy iray enina ambin’ ny folo taona, izay manana namana vaovao i Susan.Indraindray ireo namany ireo dia mifoka sigara, ary vao haingana izay dia nangalatrafitafiana tao amin’ ny fivarotana teo akaikiny. Tsy fantatry ny ray sy renin’ i Susan ireonamany vaovao ireo, nefa samy nahatsapa izy mivady fa misy zavatra tsy mety eo amin’ny fiainan’ i Susan. Ahoana no fomba ahafahan’ ny rainy mampiasa ny fisoronany mbahanampiana an’ i Susan?

Soso-kevitra: Sambatra i Susan satria nahazo aingam-panahy ny ray sy reniny hahafanta-tra fa mila fanampiana izy. Afaka nampiseho ny fitiavany azy amin’ ny fomba maro nyray aman- drenin’ i Susan ary nanamora ny firesahany amin’ izy ireo. Afaka nanao tafasy dinika niaraka tamin’ i Susan ny rainy. Afaka nanome azy tsodrano manokana izyhahazoany hery sy fahaiza-manavaka eo amin’ ny fifidianana namana sy fandraisanafanapahan-kevitra.

Tokony hanohana ny rainy ny zatovovavy

• Amin’ ny fomba ahoana no ahafahanao manampy ny rainao hanatontosa ireo andraiki-ny amin’ ny fisoronana? (Raha tsy manana ny fisoronana ny zatovovavy sasany ao an-tranony, dia afaka manome soso-kevitra amin’ izay fomba ahafahany manampy ny rainyna ny reniny mba ho mpitarika tsara ao an-trano izy.)

Soraty eny amin’ ny solaitrabe ny valin-tenin’ izy ireo. Ny valin-teny dia mety hahitanaizao manaraka izao:

• Manaja sy tia ny raiko, ary mankatò azy amim-pahamarinana.

• Mangataka tsodrano amin’ ny raiko rehefa ilaina izany, toy ny amin’ ny fotoan’ ny aretina, na fotoan-tsarotra.

• Mankahery ny raiko sy ny anadahiko amin’ ny fanatontosana ireo fanendrena amin’ ny fisoronana, toy ny antso ho mpitarika ao amin’ ny Fiangonana, fampianarana isan-tokantrano, ary fanatrehana ny fivorian’ ny fisoronana.

• Maneho fanajana ny mpitarika ny fisoronana rehetra.

Omeo taratasy sy pensilihazo ny zatovovavy tsirairay, ary Asaovy soratany ireo zavatraizay tiany hatao mba hanohanana sy hankaherezana ireo mpihazona ny fisoronana aoan-tranony.

Ny zatovovavy izay tsy manana ny fisoronana ao an-tranony dia afaka manoratra ireozavatra azony atao mba hanohanana ny maha-mpitarika ny rainy na ny reniny ao an-trano. Ny zatovovavy rehetra dia tokony hanaja sy hanohana ny ray aman-dreniny, eny fa na dia tsy misy fisoronana aza ao an-tranony.

Fampiasanaan-tsoratra

Fanadihadianaampiasanasolaitrabe

Page 64: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

55

Asaovy mizara ny heviny ny zatovovavy raha tiany izany. Asaovy manome soso-kevitraihany koa ireo mpianatra amin’ izay tokony hataony mba hahazoana antoka fa ny tokan-tranony ho avy dia hotarihin’ ny fisoronana.

Famaranana

Soratra masina Vakio Efesiana 6:1–4. Hadihadio izay fomba ahafahan’ ny zatovovavy mampihatra io sora-tra masina io ao an-tranony. Hazavao fa faly ny Tompo rehefa mankatò sy manaja ny rain-tsika isika, ary manampy azy ireo mba hahatontosa ireo andraikiny ao amin’ ny fisoronana.

Soso-kevitra momba ny fampiasana ao an-dakilasy

Azo ampiasaina ho tohin’ ity lesona ity ireto fampiasana manaraka ireto:

Ny mpianatra tsirairay dia afaka manoratra taratasy fankasitrahana ho an’ ny rainy mbaho fanehoana fisaorana noho ny fitarihana sy ny fitahiana avy amin’ ny fisoronana.

Afaka manangona sy mandamina ireo mari-pankasitrahana mampiseho ny ôrdônansin’ny fisoronana izay efa voarainy nyzatovovavy, toy ny fanomezana anarana sy fitsofan-drano, batisa, ary fandraisana ho mpikambana.

Lesona 13

Page 65: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

56

Manana lova mahafinaritra isika

TANJONA Ny zatovovavy tsirairay dia hahafantatra fa anisan’ ny lova mahafinaritra izy satria ao amin’ ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany.

FANOMANANA 1. Ianaro ireto soratra masina manaraka ireto: 2 Tesaloniana 2:2–3; Matio 24:11–12; Isaia24:5; 2 Timoty 4:3–4; Amosa 8:11–12

2. Raha misy ao amin’ ny faritra misy anao, dia miomàna mba hampiseho ny kasetyvideo: “La Première Vision” sy ny “Rétablissement de la Prêtrise”

3. Manendre zatovovavy mba hanolotra ireo tantara, soratra masina, na teny nindraminaizay nofidinao.

Fanamarihana: Ity lesona ity dia nomanina mba hanampy ny mpampianatra hampaha-tsiahy ny tanora ny lova lehibe an’ izy ireo amin’ ny maha-mpikambana ao amin’ nyFiangonan’ ny Tompo et˜ an-tany azy. Mety ho fotoam-pampianarana roa no ilainahanolorana ity lesona ity.

SOSO-KEVITRA HAMELABELARANA NY LESONA Nisy ny apôstazia lehibe

Hazavao fa nanorina ny Fiangonany i Jesoa Kristy fony Izy niaina tet˜ an-tany.Nanokana Apôstôly sy mpitarika hafa Izy mba hitarika ny Fiangonana taorian’ ny naha-fatesany. Ireo mpitarika ireo dia nampianatra ny filazantsara manerana an’ izao tontoloizao, ary nanorina sampan’ ny Fiangonana marobe. Ny olona sasany anefa dia nanombo-ka nanova ny fampianaran’ ny Mpamonjy, ary betsaka ireo olona voafitaka.

Soraty eny amin’ ny solaitrabe ireto soratra masina manaraka ireto:

2 Tesaloniana 2:2–3

Matio 24:11–12

Isaia 24:5

2 Timoty 4:3–4

Amosa 8:11–12

Asaovy mikaroka ireo soratra masina ireo ny zatovovavy ary hamaky izany mba haha-fantarana izay zava-nitranga tamin’ ny Fiangonana taorian’ ny nahafatesan’ i Jesoa. Nyolona tsirairay dia tokony ho afaka hamaly ireto fanontaniana ireto rehefa avy nianatrany soratra masina:

Fanadihadiana • Inona no nitranga tamin’ ny Fiangonana izay naorin’ i Jesoa fony Izy mbola niaina tet˜an- tany?

• Ahoana no nahatonga izany?

Azonao atao, raha tianao, ny mampiasa ny sasany amin’ ireto hevitra manaraka ireto aoamin’ ny fanadihadihana ataonareo:

• Tao amin’ ny taratasiny ho an’ ny Tesaloniana, inona no nolazain’ i Paoly fa hitrangaamin’ ny Fiangonana mialoha ny fiavian’ ny Mpamonjy fanindroany? (Hisy ny fialanaamin’ ny fahamarinana; jereo 2 Tesaloniana 2:2–3).

• Noraketin’ i Matio an-tsoratra ny faminanian’ ny Mpamonjy momba izay hiseho mialoha ny fiverenany et˜ an-tany. Inona ny iray amin’ ireo zavatra nolazain’ i Jesoa fa hitranga? (Hamitaka olona maro ny mpaminany sandoka; jereo Matio 24:11–12).

Fampiasanamomba nysoratra masina

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Lesona

14

Page 66: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

57

• Inona no nolazain’ i Isaia fa hitranga amin’ ny ôrdônansin’ ny filazantsara? (Hiova izyireo, jereo Isaia 24:5.)

• Nahoana no niala tamin’ ny fahamarinana ny olona? (Nitady ireo mpampianatra izay nilaza taminy izay tiany ho re izy ireo, fa tsy voatery ho ny fahamarinana; jereo 2 Timoty 4:3–4.)

• Karazana mosary toy inona no nolazain’ i Amosa fa ho avy? (Mosary amin’ ny fandre-nesana ny tenin’ ny Tompo; jereo Amosa 8:11–12.)

Naverina tamin’ ny laoniny tet˜ an-tany ny filazantsara

Hazavao fa izany fialana amin’ ny fahamarinana izany dia antsoina hoe Apôstazia.Taorian’ ny Apôstazia, dia tsy tet˜ ambonin’ ny tany intsony ny Fiangonana marina nan-dritra ny taon-jato maro. Rehefa izany, dia tonga ny fotoana izay namerenan’ ny Tompotamin’ ny laoniny ny filazantsara marina niaraka tamin’ ny heriny sy ny fitahiany rehetratamin’ ny alalan’ ny Mpaminany Joseph Smith.

Fampisehoana video Asehoy ny video mitondra ny lohateny hoe: “La Première Vision”

Avereno jerena miaraka amin’ ny zatovovavy ny fitantaran’ i Joseph Smith momba nyfahitany araka ny voarakitra ao amin’ ny Joseph Smith—Tantara 1:7–26. Azonao atao,raha tianao, ny mamaky ny ampahany amin’ izany fitantarana izany. Azonao atao, rahatianao, ny manondro zatovovavy iray hilaza io tantara io.

Mijoroa ho vavolombelona fa ny filazantsara dia naverina tamin’ ny laoniny tamin’ nyalalan’ i Joseph Smith. Lazao izay zava-nodiavina na fihetseham-po izay nanampy anaohahalala izany fahamarinana izany. Asao ny mpianatra mba hizara zava-nodiavina izaynanampy azy ireo hahafantatra fa naverina tamin’ ny laoniny ny filazantsara marina.

(Azonao faranana eto ny fizarana voalohany amin’ ny ity lesona ity.)

Satria naverina tamin’ ny laoniny ny filazantsara, dia manana fitahiana lehibe isika

Hazavao fa zava-dehibe maro no nitranga taorian’ ny fahitana voalohan’ i Joseph Smith.Anankiray amin’ izany ny fiverenan’ ny fahefan’ ny fisoronana tamin’ ny laoniny.Naverina tamin’ ny laoniny tet˜ an-tany ny Fisoronan’ i Aharôna sy i Melkizedeka.

Raha mbola nandika ny Bokin’ i Môrmôna i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery tamin’ ny volana May 1829, dia nanapa-kevitra izy ireo mba hangataka fitarihana avy amin’ nyTompo momba ny batisa. Nandeha tany anaty ala izy ireo mba hivavaka, ary raha mbolateo am-pivavahana izy ireo, dia nidina avy any an-danitra i Jaona Mpanao Batisa kanametra-tanana tamin’ izy ireo, ary nanokana azy ireo ho amin’ ny Fisoronan’ i Aharôna.

Soratra masina Asaovy vakin’ ny zatovovavy ny Joseph Smith—Tantara 1:69 mba hahafantarana izaynolazain’ i Jaona Mpanao Batisa. Rehefa izany dia avereno jerena ny andininy 70–72.

Hazavao fa fotoana fohy taorian’ ny namerenana tamin’ ny laoniny ny Fisoronan’ i Aharôna, dia nanome ny Fisoronan’ i Melkizedeka an’ i Joseph Smith sy i OliverCowdery i Petera sy i Jakoba ary i Jaona, izay anankitelo tamin’ ireo Apôstôlin’ nyTompo. Hita ao amin’ ny io fisoronana io ny Maha-Apôstôly Masina, izay manome azy ireo fahefana ilaina mba hananganana ny Fiangonana.

Tamin’ ny 6 Aprily 1830, dia nivory tao amin’ ny tranokely hazo iray tany amin’ ny toe-ram-pambolena sy fiompian’ i Peter Whitmer rainy, tany Seneca County, New York iJoseph Smith sy olona hafa teo amin’ ny dimampolo teo ho eo. Tao no nananganan’ izyireo ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany. Nomena tamin’ny fotoana nananganana ny Fiangonana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavananafizarana faha-21.

Soratra masina Asaovy mamaky ny Fotopampianarana sy fanekempihavanana 21:1–3 ny zatovovavy.

Hazavao fa avy amin’ io fandaminana io no nisian’ ny Fiangonana mahafinaritra izayfantatsika amin’ izao fotoana izao. Ny Fiangonana dia manome lalana antsika mba haha-fantatra sy hidera an’ i Jesoa Kristy Tompo. Afaka mandeha any amin’ ny trano fiangona-na sy tempoly isika ary afaka mianatra momba ny sorompanavotan’ i Jesoa Kristy. Afakamandray ny fanasan’ ny Tompo koa isika, izay mampahatsiahy antsika ny sorona lehibe

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Fijoroana hovavolombelona

Fitantarana ao amin’ nysoratra masina

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Page 67: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

58

nataon’ i Jesoa. Afaka mianatra ny didin’ Andriamanitra isika, izay mitarika ho anyamin’ ny fahasambarana eo amin’ ity fiainana ity sy amin’ ny ho avy. Afaka hofehezinamiaraka amin’ ny fianakaviantsika any amin’ ny tempoly masina isika.

Fampisehoana video Asehoy ny video mitondra ny lohateny hoe Rétablissement de la Prêtrise.

Manana lovam-pinoana isika

Hazavao fa ny ankabetsahan’ ireo olona, izay nilatsaka ho mpikambana tao amin’ nyFiangonana nandritra ny taona maro voalohany taorian’ ny namerenana azy tamin’ nylaoniny, dia olona nanana finoana sy herim-po lehibe. Nanana fitsapana marobe izy ireo,indrindra indrindra raha noroahina hiala ny tranony ary voatery nandeha kilometatraaman’ arivony mba hanorina trano tany amin’ ny Salt Lake Valley izay tany foana. Naaiza na aiza no ipetrahantsika amin’ izao fotoana izao, dia namela ohatra ho antsika izyireo mba harahina.

Tantara Lazao izao tantara manaraka momba ny zatovovavy iray mpisava lalana izao:

I Mary Goble Pay, izay nantsoina hoe Polly, dia telo ambin’ ny folo taona raha niampitany tany lemaka ho any amin’ ny Salt Lake Valley. Tany Angletera no niova fo izy sy nyfianakaviany. Nanana sarety iray sy ombin-tsarety roa izy ireo ary voatondro mba hiarakaamin’ ny iray amin’ ireo andiana mpifindra monina miaraka amin’ ny sarety tarihin-tana-na. Nijaly tokoa izy ireo, saingy notohanan’ ny finoany lehibe an’ Andriamanitra. Tat˜aoriana, dia nanoratra momba ny zava-nodiaviny araka izao manaraka izao i Polly:

“Nandeha teo amin’ ny roapolo ka hatramin’ ny dimy amby telopolo kilometatra isan’andro izahay… mandra-pahatonganay tany amin’ ny Platte River… Tratranay ireo andianampifindra monina miaraka amin’ ny sarety tarihin-tanana tamin’ izany andro izany. Nijeryazy ireo niampita ny renirano izahay. Feno vongan-dranomandry lehibe nitsingevana teoamin’ ilay renirano. Tena nangatsiaka be ny andro. Efatra ambin’ ny folo no maty ny ampi-tso maraina…. Nandeha niverina nilasy izahay ary nivavaka sy…. nihira ny hoe “Venezvenez, sans craindre le devoir”. Tsy haiko izay nampitomany ny reniko tamin’ izay alinaizay…. Ny ampitso maraina dia teraka ny zandriko vavy. Fahatelo amby roapolon’ nyvolana Septambra tamin’ izay. Edith no anarana nomenay azy. Niaina enina herinandro izy dia maty…. Nalevina tany amin’ ny fiampitana farany ny renirano Sweetwater izy.

“Rehefa tonga teo amin’ ny Devil’s Gate izahay, dia tena nangatsiaka be ny andro.Najanonay tao ny ankabetsahan’ ny zavatray…. I James anadahiko. . . dia salama tsara toyny mahazatra raha nandeha natory izahay tamin’ io alina io. Ny maraina dia maty izy….

“Nikarainkon’ ny hatsiaka ny tongotro, torak’ izany koa ny an’ ireo rahavavy sy anadahi-ko. Tsy nisy afa-tsy oram-panala ny manodidina. Tsy afaka nanatsatoka ireo tsato-kazomadinika tamin’ ny lainay izahay. . . Tsy fantatray izay hanjo anay. Indray alina anefa, dianisy lehilahy iray tonga tao amin’ ny lasinay ary nilaza taminay fa . . . nandefa lehilahy sytarika mba hanampy anay i Brigham Young…. Nihira izahay; ny sasany nandihy, ary nysasany nitomany….

“Tsy nihatsara mihitsy ny reniko…. Maty teo anelanelan’ ny Little sy Big Mountains izy…Telo amby efapolo taona izy….

“Tonga tao Salt Lake City izahay ny fahiraika ambin’ ny folon’ ny volana Desambra 1856,tamin’ ny sivy ora alina. Telo tamin’ ireo efatra izay velona dia nikarainkon’ ny hatsiaka.Maty tao anaty sarety ny reniko….

“Ny ampitso marainabe, dia tonga i Brigham Young…. Raha nahita ny nanjo anay izy, nytongotray nikarainkon’ ny hatsiaka, ny reninay maty, dia nirotsaka teo amin’ ny tavanyny ranomasony….

“Notapahan’ ny dokotera ny ratsan-tongotro… raha mbola nampiakanjo ny reniko halevinaany amin’ ny fasany ireo rahavaviko…. Nalevina izy ny folakandron’ io.

“Neritreretiko matetika ny tenin’ ny reniko talohan’ ny nandaozanay an’ i Angletera.‘Polly, te handeha ho any Ziona aho dieny mbola kely ny zanako mba hahafahan’ izy ireohotezaina ao amin’ ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy’” (notantaraina tao amin’ ny Gordon B.Hinckley, “The Faith of the Pioneers,” Ensign, Jolay 1984, p. 5–6).

• Inona araka ny hevitrao no nahafahan’ i Mary sy ireo mpisava lalana hafa niaritra ireofitsapana mahery vaika ireo?

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Page 68: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

59

Teny nindramina Nilaza ny Filoha Gordon B. Hinckley fa ity tantara ity dia mampiseho ny tantaran’ olonaaman’ arivony. Fanehoana finoana mahatalanjona nefa tsotra izany, fandresendahatra tsyazo iadian-kevitra fa ny Andriamanitry ny lanitra dia manatsara ny zavatra rehetra amin’ny alalan’ ny heriny ary manatanteraka ny tanjony mandrakizay eo amin’ ny fiainan’ nyzanany.

“Ilaintsika ny finoana mivaivay an’ Andriamanitra velona sy ny Zananilahy velona synitsangana tamin’ ny maty, fa izany no finoana lehibe nanosika ireo razambentsikatamin’ ny filazantsara.” (“The Faith of the Pioneers”, p. 6).

• Inona no azonao ianarana avy amin’ ny tantaran’ i Mary ka afaka hanampy anao eo amin’ ny fiainanao?

Famaranana

Teny nindramina Vakio izao tenivavolombelona avy amin’ ny Filoha Joseph Fielding Smith manaraka izao:

“Mino izahay fa taorian’ ny alina lavabe feno haizina sy ny tsy finoana ary ny fialanatamin’ ny fahamarinan’ ny maha-Kristianina tsotra sy tanteraka, dia tamin’ ny fahendre-ny tsy manam-petra no namerenan’ ny Tompo tamin’ ny laoniny teto an-tany ny fahafe-noan’ ny filazantsara maharitra mandrakizay.

“Fantatray fa i Joseph Smith dia mpaminany; ary ny Ray sy ny Zanaka dia niseho taminytamin’ ny lohataonan’ ny 1820 mba hanokatra izao fotoanandro faran’ ny filazantsaraizao; fa nandika ny Bokin’ i Môrmôna tamin’ ny alalan’ ny fanomezana sy ny herin’Andriamanitra izy; nandray ny fanalahidy sy fahefana avy amin’ ny anjely izay nalefa hoamin’ io tanjona io indrindra izy, ary ny Tompo dia nanambara taminy ny fotopampiana-ran’ ny famonjena.

“Manambara izahay fa Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny AndroFarany no fanjakan’ Andriamanitra et˜ ambonin’ ny tany, ilay hany toerana izay ahafa-han’ ny olombelona mianatra ny fotopampianaran’ ny famonjena marina sy ahafahanymahita ny fahefan’ ny fisoronana masina” (tao amin’ ny Conference Report, Apr. 1971, p. 5; na Ensign, Jona 1971, p. 4).

Mijoroa ho vavolombelona fa naverina tamin’ ny laoniny ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy.Ampio ny zatovovavy hahafantatra fa noho ny maha-mpikambana azy ao amin’ nyFiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany, dia manana lova lehibemomba ny finoana sy ny fahamarinana izy ireo. Entano izy ireo mba hanao izay hanama-fy orina kokoa ny fijoroana ho vavolombelona ananany fa marina ity Fiangonana ity, arynaverina tamin’ ny laoniny tamin’ ny alalan’ i Joseph Smith izany, ary ny fitahiana rehe-tra amin’ ny fiainana mandrakizay dia atao ho an’ ireo izay tena mahatoky.

Fijoroana hovavolombelona

Lesona 14

Page 69: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3
Page 70: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

Fianarana momba ny tetiarana sy ny asan’ ny tempoly

Page 71: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

62

Ny fitahiana ho an’ nyMpianakavin’ i Israely

TANJONA Ny zatovovavy tsirairay dia hahafantatra ny fitahiana ananany sy ny zavatra takinaaminy amin’ ny maha-mpikambana ao amin’ ny mpianakavin’ i Israely azy.

FANOMANANA 1. Sary faha-7, Fianakaviana iray ao amin’ ny Tempoly, hita any amin’ ny faran’ ny bokyfampianarana.

2. Manendre zatovovavy mba hanolotra ireo tantara, soratra masina na teny nindraminaizay nofidinao.

SOSO-KEVITRA HAMELABELARANA NY LESONA Afaka mandray ireo fitahiana izay nampanantenain’ ny Tompo an’ i Abrahama isika

• Inona no fantatrao momba ny mpaminany Abrahama?

Rehefa avy nohadihadin’ ny zatovovavy izany fanontaniana izany, dia hazavao fa iAbrahama dia mpaminany lehibe izay niaina tamin’ ny fotoan’ ny Testamenta Taloha.Mahatoky sady nankatò ny Tompo tamin’ ny zavatra rehetra izy, ary nanome fampanan-tenana mahafinaritra ho azy ny Tompo.

Asaovy vakin’ ny zatovovavy ny Abrahama 2:8–11 mba hahafantarana ireo fampanante-nana sasantsasany izay nomen’ ny Tompo an’ i Abrahama.

• Inona ireo fitahiana izay nampanantenain’ ny Tompo an’ i Abrahama?

Hazavao fa ny Tompo dia nampanantena an’ i Abrahama fa ny taranany dia hanana fitahiana telo lehibe hatrany eo amin’ izy ireo. Soraty eny amin’ ny solaitrabe araka izaoaseho izao ireo fitahiana ireo.

Solaitrabe

Hazavao fa mandray ny fitahiana izay nampanantenana an’ i Abrahama amin’ ny alalan’ny taranany isika. Abrahama no rain’ i Isaka, ary Isaka no rain’ i Jakoba izay novaina hoIsraely ny anarany. I Jakoba na Israely dia nanan-janaka roa ambin’ ny folo lahy, ary nytaranany dia nanjary fantatra amin’ ny anarana hoe mpianakavin’ i Israely.

Manjary mpikambana ao amin’ ny mpianakavin’ i Israely isika amin’ ny alalan’ ny faha-terahana ho taranak’ i Israely ara-bakiteny, na amin’ ny alalan’ ny fananganana. Ny olonaizay tsy taranak’ i Israely ara-bakiteny dia hatsangana ao amin’ ny mpianakavin’ i Israelyrehefa atao batisa. Mahafantatra momba ny firazanany ao amin’ ny mpianakavin’ iIsraely ireo mpikambana ao amin’ ny Fiangonana rehefa mandray ny tsodranon’ nypatriarka ho azy.

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Ny Mpianakavin’ i Israely

I Abrahama sy ny taranany dia mety hahazohatrany:

1. Ny fitahiana amin’ ny filazantsara.

2. Ny fitahiana amin’ ny fisoronana.

3. Ny fitahiana amin’ ny fiainana mandrakizay.

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Lesona

15

Page 72: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

63

Teny nindramina Vakio izao fanambarana manaraka izao:

“Ny olona rehetra izay manaiky ny filazantsara dia manjary anisan’ ny mpianakavin’ iIsraely. Izany hoe manjary mpikambana amin’ ny taranaka voafidy izy ireo, na zanak’ iAbrahama avy amin’ i Isaka sy i Jakoba izay nomena ireo fampanantenana. Ny ankabe-tsahan’ ireo izay tonga mpikambana ao amin’ ny Fiangonana dia taranaka ara-bakitenin’i Abrahama avy amin’ i Efraima, zanak’ i Josefa. Ireo izay tsy taranaka ara-bakitenin’ iAbrahama sy Israely dia tsy maintsy ho tonga amin’ izany, ary rehefa atao batisa izy ireosy raisina ho mpikambana, dia hatao grefy amin’ ilay hazo, ary afaka mahazo ny zo sytombon-tsoa rehetra ho lovany” (Joseph Fielding Smith, Doctrines of Salvation, nango-nin’ i Bruce R. McConkie, boky 3. [Salt Lake City: Bookcraft, 1954–56], 3:246; nofafanaireo sora-mandry).

Hazavao fa ny zatovovavy tsirairay avy, amin’ ny maha-mpikambana azy ao amin’ nympianakavin’ i Israely, dia afaka mahazo ireo fitahiana rehetra izay nampanantenana an’ i Abrahama, raha mendrika.

Manana Fitahiana sy adidy isika amin’ ny maha-mpikambana antsika ao amin’ ny mpianakavin’ i Israely.

Jereo ny solaitrabe, ary antitrantero fa ny iray amin’ ny ireo fitahiana tena lehibe izaytonga amin’ ireo zatovovavy amin’ ny maha-mpikambana azy ireo ao amin’ ny mpiana-kavin’ i Israely dia ny fahafahana mianatra ny filazantsara sy ny fanaovana batisa aoamin’ ny Fiangonana raha mbola et˜ an-tany.

• Inona ireo fampanantenana ataontsika rehefa atao batisa sy mandray ny fanasan’ nyTompo isika? (Hankatò ny didin’ Andriamanitra rehetra isika, hahatsiaro ny Mpamonjymandrakariva isika, ary ho tia sy hanompo ny hafa.)

Asongadino fa ny fanaovana ireo fampanantenana manokana ireo dia anisan’ ny fitahianaizay raisintsika amin’ ny maha-mpikambana ao amin’ ny mpianakavin’ i Israely antsika.

Hazavao fa ny zatovovavy tsirairay, amin’ ny maha-mpikambana ao amin’ ny Fiangonanasy ao amin’ ny mpianakavin’ i Israely azy, dia nomena ihany koa ny tombon-tsoa mbahanana amin’ ireo fitahiana avy amin’ ny fisoronana.

Asaovy hiverenan’ ireo zatovovavy jerena ireo fitahiana avy amin’ ny fisoronana izay raisin’izy ireo amin’ izao fotoana izao, na izay mety ho raisin’ izy ireo any aoriana. (Ireo fitahianaireo dia ny fanaovana batisa ho mpikambana ao amin’ ny Fiangonana marin’ ny Tompo, nyfandraisana ny fitahiana avy amin’ ny fisoronana, ny fandraisana ny fanasan’ ny Tompo, nyfandehanana any amin’ ny tempoly mba hanaovana ny asa amin’ ny ôrdônansy ho an’ nytenantsika sy ho an’ ny hafa, ny fananana mpitarika entanim-panahy mba hanampy sy hita-rika antsika, ny fahafahana mandeha any amin’ ny tempoly mba hanambady.)

Anontanio raha nisy tamin’ ny zatovovavy nanana zava-niainana manokana izay naha-tonga ny fiainany hiova tanteraka noho ny fitahiana avy amin’ ny fisoronana. Asao izyireo mba hizara izany zava-niainana izany ao an-dakilasy. Milazà zava-niainana manoka-na raha tianao. Antitrantero fa ny fananana fitahiana avy amin’ ny fisoronana dia miton-dra fampiononana sy fiarovana lehibe ho an’ ny zatovovavy tsirairay avy.

Ny fiainana mandrakizay no tena fitahiana lehibe ho antsika amin’ ny maha-mpikam-bana ao amin’ ny mpianakavin’ i Israely antsika

Asaovy vakin’ ny zatovovavy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:7, arymarihiny ao amin’ ny soratra masiny izany.

• Inona no lehibe indrindra amin’ ny fanomezan’ Andriamanitra rehetra? (Ny fiainanamandrakizay)

• Inona no nolazain’ ny Tompo fa tsy maintsy ataontsika mba hahazoana ny fiainanamandrakizay?

Soraty eny amin’ ny solaitrabe toy izay hazavaina ao amin’ ny pejy manaraka ny valin-teny.

Asaovy vakin’ ny zatovovavy ireto andalana manaraka ireto mba hahafantarana ireozavatra takina hafa mba hahazoana ny fiainana mandrakizay. (Vakio ny tapany voaloha-

Soratra masinasy fanadihadiana

Zava-niainanamanokana

Fanadihadianaampiasanasolaitrabe

Page 73: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

64

ny sy farany amin’ ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:19 araka izayaseho.) Ampio ireo zavatra takina ireo ilay lisitra eny amin’ ny solaitrabe .

Jaona 3:36

2 Nefia 9:39

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:19: “ Ankoatra izany, lazaiko aminaomarina dia marina tokoa, fa raha mampakatra vehivavy amin’ ny teniko, dia ny lalàko ny lehilahy iray, ary amin’ ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay,ka fehezin’ ny Fanahy Masin’ ny fampanantenana izany, ataon’ ilay izay voahosotra, izaynotolorako io fahefana io sy ireo fanalahidin’ io fisoronana io; handalo ireo anjely sy ireoandriamanitra izay apetraka any, ho amin’ ny fisandratana faratampony sy ny voninahinyamin’ ny zava-drehetra, araka ny efa namehezana izany teo ambonin’ ny lohany, izanyvoninahitra izany dia ho fahafenoana sy fitohizan’ ny taranaka mandrakizay doria”.

Teny nindramina Asaovy mihaino tsara izao teny nindramina manaraka izao ny zatovovavy mba hahita nyfahasamihafana misy eo amin’ ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay; ary mbahahafantatra izay ho mendrika ny handova ny tsirairay amin’ izany.

“Fiainana mandrakizay no anarana nomena ny karazam-piainana izay iainan’ ny RayMandrakizay . . . .

“Ny fiainana mandrakizay dia tsy natao fotsiny ho anarana entina milaza ny faharetanatsy manam-pahataperan’ ilay fiainana ho avy; ny tsy fahafatesana dia ny miaina mandra-kizay amin’ ny toetra efa tafatsangana tamin’ ny maty, ary noho ny fahasoavan’Andriamanitra, dia hahazo io fitohizam-piainana tsy manam-pahataperana io avokoa nyolombelona. Fa ireo izay mankatò ny lalanan’ ny fahafenoan’ ny filazantsara irery ihanyno handova ny fiainana mandrakizay” (Bruce R. McConkie, Mormon Doctrine, edisionafaharoa. [Salt Lake City: Bookcraft, 1966], p. 237).

Solaitrabe Manorita tsipika iray eny amin’ ny solaitrabe, ary asio teboka kely manaraka izany.

Lazao ny kilasy fa io tsipika io dia maneho ny fisiantsika talohan’ ny nahaterahana. Izayfanapahan-kevitra noraisintsika tany dia hisy akony eo amin’ ny karazam-piainana izayiainantsika eto amin’ ny fiainana an-tany. Ilay teboka kely dia maneho ny fiainana an-tany. Rehefa izany, dia manorita tsipika aorian’ ilay teboka kely, amin’ ny faritra ilan’ilay solaitrabe. Hazavao fa io tsipika io, raha ny tena marina, dia tsy misy fiafarany, arymaneho ny mandrakizay. Ny fanapahan-kevitra raisintsika mandritra ity fotoana kely etoamin’ ity fiainana an-tany ity no hamaritra ny fomba handaniantsika ny mandrakizay.

Jereo indray eny amin’ ny solaitrabe, ary hazavao fa ny fitahiana lehibe indrindra izayafaka ho tonga amin’ ny zatovovavy amin’ ny maha-mpikambana azy ao amin’ ny mpia-nakavin’ i Israely dia ny fiainana mandrakizay. Jereo ilay sarin’ ny fianakaviana iray aoamin’ ny tempoly. Antitrantero fa ny fanambadiana any amin’ ny tempoly dia manokatrany varavarana ho an’ ny fianakaviana mba ho fehezina miaraka mandrakizay, ary mano-me lalana ny zatovovavy tsirairay ho tonga ho vady sy reny mandrakizay. Izany no fitahiana lehibe indrindra izay nomen’ ny Tompo ny zanany vavy rehetra.

Fanazavana miarakaamin’ ny sary

Ny Mpianakavin’ i Israely

Abrahama sy ny taranany dia mety hahazo hatrany—

1. Ny fitahiana amin’ ny filazantsara

2. Ny fitahiana amin’ ny fisoronana

3. Ny fitahiana amin’ ny fiainana mandrakizay

Mba hahazoana ny fiainana mandrakizay—Mitandrema ny didiko.Mahareta hatramin’ ny farany.Minoa an’ i Jesoa Kristy.Saintsaino ny zava-panahy.Manambadia any amin’ ny tempoly

Ohatra eny amin’ny solaitrabe

Page 74: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

65

Ny Filoha Ezra Taft Benson dia nilaza tamin’ ny zatovovavy ao amin’ ny Fiangonana hoe:

“Ry anabaviko tanora, manana fanantenana lehibe ho anareo izahay. Manana fanantena-na lehibe tokoa ho anareo izahay. Aza mijanona amin’ izay kely noho izay tian’ nyTompo hatao ho anareo. . . .

“Omeo zatovovavy izay tia tokantrano sy fianakaviana aho, izay mamaky sy mandinikany soratra masina isan’ andro, izay manana fijoroana ho vavolombelona miredaredamomba ny Bokin’ i Môrmôna. . . . Omeo zatovovavy izay madio sy nitandro ny fahadio-van’ ny tenany aho, izay tsy hijanona amin’ izay kely noho ny fanambadiana any amin’ny tempoly; dia omeko zatovovavy izay hanao fahagagana ho an’ ny Tompo anio sy homandrakizay ianareo.” (Ensign, Nôv. 1986, p. 84).

Famaranana

Famerenana Farano amin’ ny fijerena indray eny amin’ ny solaitrabe ny lesona. Ampahatsiahivo nyzatovovavy ireo fitahiana telo manokana izay mety ho tonga amin’ ireo mpikambana aoamin’ ny mpianakavin’ i Israely. Antitrantero fa andraikitry ny zatovovavy tsirairay nyfahazoana ireo fitahiana ireo. Tsy maintsy manaiky sy miaina ny filazantsara, manaja ny fisoronana ary miaina amim-pahamendrehana izy mba hahazoany ny fiainana mandrakizay.

Lesona 15

Page 75: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

66

Ny fanafiana masina any amin’ ny tempoly

TANJONA Ny zatovoovavy tsirairay dia hahafantatra bebe kokoa ny anton’ ny temploy sy ny fanafia-na masina any amin’ ny tempoly.

FANOMANANA 1. Sary faha-11. Ny ao anatin’ ny Tempoly, hita any amin’ ny faran’ ny boky fampianarana.Manomàna sarin’ ny tempoly hafa raha tianao.

2. Makà fiasana na fitaovam-piasana iray tsy mahazatra.

3. Isafidianana: Soraty eo amin’ ny tapa-taratasy ireo fanambarana fito momba ny anton’ny tempoly mba hozaraina amin’ ireo mpianatra.

4. Manendre zatovovavy mba hanolotra ireo tantara, soratra masina, na teny nindraminaizay nofidinao.

SOSO-KEVITRA HAMELABELARANA NY LESONA Fampidirana

Asehoy ny zatovovavy ilay fiasana na fitaovam-piasana tsy mahazatra. Mifidiana irayizay tsy mahazatra azy ireo. Asaovy manombatombana izay mety hampiasana izany izy.Rehefa izany, dia hazavao fohifohy ny fampiasana izany sy ny lanjany.

Hazavao fa mety ho tsy nahatsapa ny lanjan’ ilay fitaovam-piasana ireo zatovovavy man-dra-pahafantarany ny fampiasana izany. Ny fanafiana masina any amin’ ny tempoly diamety ho toy ilay fitaovam-piasana. Tsy ho tsapantsika ny maha-zava-dehibe izany sy nyfampiasana azy eo amin’ ny fiainantsika raha tsy fantatsika ny tanjona amin’ izany.

Manana tanjona masina ny tempoly

Fanadihadiana Inona no fantatrao momba ny tanjon’ ny tempoly?

Mba hanampiana ny zatovovavy hahalala ny tanjon’ ny tempoly, dia azonao atao, rahatianao, ny manoratra izao fanambarana manaraka izao amin’ ny taratasy, ary hanomeizany an’ ireo mpianatra mba ho vakina mafy.

Teny nindramina 1. “Ny tempoly dia trano na fonenan’ ny Tompo. Raha mitsidika ny tany ny Tompo, dia ho any amin’ ny tempoliny Izy. . . .

2. “Ny tempoly dia toeram-pianarana. Ao dia iverenana ny fitsipiky ny filazantsara, aryambara ny fahamarinana lalina amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.

3. “Ny tempoly dia toeram-piadanana. Ao dia azontsika hadinoina ny fiahiana sy ny tebitebin’ ny tontolo mikorontana any ivelany. . . .

4. “Ny tempoly dia toerana fanaovana fanekempihavanana, izay hanampy antsika hiaina ny lalàn’ Andriamanitra. . . .

5. “Ny tempoly dia toeram-pitahiana. Nomena fampanantenana isika, izay miankina amin’ny fahatokiantsika irery ihany.

6. “Ny tempoly dia toerana izay hanaovana ireo fombafomba mikasika ny toe-panahy araka an’Andriamanitra. Ny misiterim-piainana lehibe sy ny fanontanian’ olombelona izay tsyahitam-baliny dia hazavaina ao: (1) Avy aiza aho? (2) Inona no ataoko et˜? (3) Aiza no alehako rehefa tapitra ity fiainana ity?. . .

Lesona ampiasanazavatra

Lesona

16

Page 76: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

67

7. “Ny tempoly dia toeram-panambarana. Mety hanome fanambarana ao ny Tompo, ary nyolona tsirairay dia mety handray fanambarana mba hanampy azy amin’ ny fiainany.”(John A. Widtsoe, “Looking toward the Temple,” Ensign, Jan. 1972, p. 56–57).

Sary Asehoy ny sary mampiseho ny ao anatin’ ny tempoly, izay hita any amin’ ny faran’ ity boky fampianarana ity, na ao amin’ ny gazetibokim-piangonana vao haingana.

Hazavao fa ao anatin’ ny tempoly, ireo mpikambana mendrika ao amin’ ny Fiangonanadia manatanteraka ôrdônansy toy ny—

• Batisa ho an’ ny maty

• Fanomezana ny fisoronana ho an’ ny maty

• Fanafiana masina

• Fanambadiana

• Ôrdônansy mamehy hafa

Soratra masina Asaovy mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124: 40–41 ny zatovovavy.

• Inona no ampianarin’ io soratra masina io momba ny maha-zava-dehibe ny tempoly?

Tena ilaina amin’ ny fisandratana faratampon’ ny zatovovavy tsirairay ny fanafiana masina

Hazavao fa ny fanafiana masina dia iray amin’ ireo ôrdônansy lehibe indrindra izayhoraisintsika et˜ an-tany. Ny teny hoe fanafiana masina dia midika hoe fanomezana nyfitahiana ara-panahy. Ampiasao izao fanazavana manaraka izao mba hanampiana nyzatovovavy hahatakatra io ôrdônansy io.

Amin’ ny fanafiana masina, dia mandray fampianarana sy manao fanekempihavananany mpikambana ao amin’ ny Fiangonana. Mandray fampianarana momba ireo ray aman-drenintsika voalohany izy ireo, dia i Adama sy i Eva; ny fahalavoan’ izy ireo; ary nydrafi-panavotana lehibe izay mamela azy ireo hibebaka sy hivoatra. Ny fanafiana masinadia mampianatra ny momba ny Apôstazia lehibe, ny famerenana amin’ ny laoniny nyfilazantsara miaraka amin’ ny heriny sy ny tombon-tsoany rehetra, ary ny ilana mitandri-na ny didin’ Andriamanitra rehetra.

Teny nindramina Amin’ ny fanafiana masina, ny mpikambana dia manao fanekena mba “hitandrina ny lalà-nan’ ny fahamasinana hentitra, sy ny fahadiovam-pitondrantena, mba ho be fiantrana, hotsara fanahy, ho be fandeferana sy ho madio; mba hanokana ny talentany sy ny fanananyamin’ ny fanapariahana ny fahamarinana, sy fanondrotana ny olombelona; mba hitandrony filofosana amin’ ny fahamarinana; ary hiezaka amin’ ny fomba rehetra mba handrayanjara amin’ ilay fanomanana lehibe, ka mba ho vonona handray ny Mpanjakany,— IlayJesoa Kristy Tompo ny tany. Amin’ ny alalan’ ny fanaovana ny fanekempihavanana tsirai-ray sy ny fanatontosana ny adidy tsirairay, dia ambara ny fitahiana nampanantenaina, izaymiankina amin’ ny fitandremana amim-pahatokiana ireo fepetra.” (James E. Talmage, TheHouse of the Lord [Salt Lake City: Desert Book Co., 1968], p. 84).

Ny Filoha Brigham Young dia nanome famaritana ny fanafiana masina toy izao: “ Nyfanafiana masina atao anao dia ny fandraisana ireo ôrdônansy rehetra ao amin’ ny tranon’ny Tompo, izay ilainao aorian’ ny fandaozanao ity fiainana ity, mba hahafahanao miveri-na eo anatrehan’ ny Ray; mandalo ireo anjely izay miambina, ahafahana manome azy ireony teny fanalahidy, ny famantarana sy marika izay mifandray amin’ ny Fisoronana masi-na, ary ahazoanao ny fisandratana faratampony mandrakizay na dia eo aza ny tany sy nyhelo.” (Discourses of Brigham Young, nofantenan’ i John A. Widtsoe [Salt Lake City: DesertBook Co., 1941], p. 416).

Solaitrabe Soraty eny amin’ ny solaitrabe ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:40–41.Ataovy sary ilay fanazavana eo ambany mba hampiseho ny maha-zava-dehibe ny fana-fiana masina any amin’ ny tempoly amin’ ny fanatrarana ny fisandratana faratampony;na manomàna taratasy nohetezana misy soratra mba hapetaka eny amin’ ny solaitrabearaka izao fomba manaraka izao:

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Page 77: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

68

Hazavao fa ilaina amin’ ny fisandratana faratampon’ ny zatovovavy tsirairay ny fanafia-na masina any amin’ ny tempoly. Dingana tsy maintsy raisiny izany mba hahafahanymiverina eo anatrehan’ ny Rainy any an-danitra.

Mitondra fitahiana lehibe ny fanafiana masina

Teny nindramina Hazavao fa ny sasany tamin’ ireo filohan’ ny tempoly taloha dia nasaina nilazalaza ireofitahiana izay tonga amin’ ireo izay mankany amin’ ny tempoly. Avereno jerena miarakaamin’ ny zatovovavy ny hevitr’ izy ireo.

“Tsy voasakana ny fahatsapana fa voatafy hery ianao rehefa mandao ny tempoly. Mianatramomba ny fiantrana sy ny fitiavana ary ny fangorahana ianao. Avelanao any ivelan’ nyvaravaran’ ny tempoly ny fiahianao ny andro; ary rehefa mivoaka ianao dia ho voatarikaamin’ ny lalana izay efa notadiavinao mba hanampy anao amin’ ny olana izay mety hanananao ny tongotrao.

“Rehefa avy manao fanekempihavanana ianao, dia tsy voarebirebin’ izao tontolo izao ho atsy sy ho ar˜ mora foana. Hery eo amin’ ny fiainanao izany, ary manampy anao mba hitandrina ireo tanjona marina.”

“Rehefa tonga amin’ ny fahamasinan’ ny tempoly ianao, dia manala ny tenanao ao amin’ izao tontolo izao. Afaka manadino ny tenanao ao amin’ ny asa izay ataonao ianao.”

“Mahazo fomba fijery ny fiainanao ianao, izay mametraka izany araka ny lamina hoanao. Ary ny zavatra iainana any amin’ ny tempoly dia manohana ny fomba fiainan’ nyOlomasina amin’ ny Andro Farany. Manome fanohanana ho anao izany, sy fahazoanaantoka fa izay zavatra ataonao dia marina” (notantaraina tao amin’ ny Kathleen Lubeck,“Preparing for the Temple Endowment,” New Era, Feb. 1987, p. 11).

Tantar Lazao izao tantara manaraka izao, momba ny zatovovavy iray izay nahalala ny fitahianalehibe amin’ ny tempoly:

Tamin’ ny taona 1846, dia nanokana ny tempoly tao Nauvoo ireo mpikambana taloha tao amin’ ny Fiangonana. Betsaka tamin’ ireo Olomasina no efa niampita ny reniranon’ i Mississippi ka nandao an’ i Nauvoo tamin’ izany fotoana izany, mba hanomboka nydiany ho any Winter Quarters. Vitsivitsy tamin’ ireo izay efa teny an-dalana ho anyWinter Quarters no niverina hanao ny fanokanana; ary iray tamin’ izany i Elvira Stevensizay efatra ambin’ ny folo taona. I Elvira dia kamboty tao Nauvoo, ary nandeha niakan-drefana niaraka tamin’ ny rahavaviny sy ny zaodahiny, niampita ny Mississippi in-teloizy mba hanatrika ny fotoam-pivavahana [fanokanana]; izy ihany no olona tao amin’ nyandiana mpifindra monina misy azy nanao izany. Nanoratra izy hoe: ‘lehibe tokoa nyhery avy any an-danitra’, ‘ary dia niampita aho ary niverina niampita mba hahazo tom-bon-tsoa amin’ izany, amin’ ny maha-tanora ahy.” Mbola tsy nandray ireo ôrdônansin’

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:40–41

Finoana

Fibebahana

Batisa

Fanomezana ny Fanahy Masina

Fanafiana masina any amin’ ny tempoly

Fanambadiana mandrakizay

Fahatokiana mitohy

Fisandratana faratampony eo anatrehan’ Andriamanitra

Page 78: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

69

ny tempoly i Elvira, fa ny herim-panahy ananan’ ilay trano fotsiny ihany sy ny zava-niseho tamin’ ny fanokanana izany dia nijanona ho fahatsiarovana lehibe ny amin’ ny . . .fiainany tao Nauvoo.” (Carol Cornwall Madsen, In Their Own Words: Women and theStory of Nauvoo [Saly Lake City : Desert Book Co., 1994], p. 23).

Famaranana

Lazao ny zatovovavy fa tian’ ny Ray any an-danitra ny handraisan’ izy ireo avy ny fitahiana avy amin’ ny fanafiana masina any amin’ ny tempoly. Ny fampianarana sy ny fanekempihavanana izay raisina any amin’ ny tempoly dia hankahery azy ireo tokoaamin’ ny fiaina amim-pahamarinana; ary hanampy azy ireo hiomana amin’ ny fiainanamandrakizay. Ambarao ny fanirianao ny mba hiainan’ ny zatovovavy tsirairay amim-pahamendrehana handray io ôrdônansy io.

Lesona 16

Page 79: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

70

TANJONA Ny zatovovavy tsirairay dia haniry ny hiomana mba hankany amin’ ny tempoly.

FANOMANANA 1. Isafidianana: Angataho ny eveka, na ny filohan’ ny sampana mba hanolotra ny lesonarehetra, na ny ampahany ato amin’ ity lesona ity amin’ ny zatovovavy.

2. Soraty amin’ ny taratasy ireo fanontaniana sivy ho an’ ny zatovovavy mba hanontanianyanao na ny eveka.

3. Manendre zatovovavy mba hanolotra ireo tantara, soratra masina, na teny nindraminaizay nofidinao.

SOSO-KEVITRA HAMELABELARANA NY LESONA Ny Zatovovavy tsirairay dia tsy maintsy mendrika ny handray ny fahazoan-dalana

mankany amin’ ny tempoly

Hazavao fa ny olona tsirairay izay mandeha any amin’ ny tempoly dia tsy maintsy maha-zo ny fahazoan-dalana mankany amin’ ny tempoly aloha. Mba hahazoana ny fahazoan-dalana mankany amin’ ny tempoly, dia tsy maintsy mitafa sy midinika miaraka amin’ nyeveka, ary amin’ ny mpikambana iray ao amin’ ny fiadidiana ny tsatòka ny mpikambanaao amin’ ny Fiangonana.

Raha mitsidika ny kilasy ny eveka, dia afaka manazava ireo zavatra takina mba handrai-sana ny fahazoan-dalana mankany amin’ ny tempoly izy.

Angataho ny zatovovavy mba handinika ny fiainany manokana mba hahitana raha vono-na ny handray ny fahazoan-dalana izy ireo amin’ izao fotoana izao. Raha tsia, dia tokonyhanomboka hanao izay hahamendrika ny tenany izy ireo.

Hazavao fa amin’ ny fotoana tena hanaovana ny tafa sy dinika, dia hanontaniana mano-kana ny zatovovavy tsirairay. Tsy maintsy manao sonia ny fahazoan-dalany izy mbahanehoana fa nahavaly tsara sy marina ny fanontaniana rehetra. Rehefa izany dia mana-marina izany sonia izany ny eveka. Manao sonia izany fahazoan-dalana izany koa nympikambana iray ao amin’ ny fiadidiana ny tsatòka at˜ aoriana.

Fanadihadiana Angataho ny zatovovavy mba hanome soso-kevitra amin’ izay fomba ahafahan’ izy ireomiomana amin’ ny tafa sy dinika handraisana ny fahazoan-dalana mankany amin’ nytempoly sy hidirana any amin’ ny tempoly.

Aorian’ ny fifanakalozan-kevitra nataon’ izy ireo, dia azonao atao, raha tianao, ny mano-me soso-kevitra toy izao manaraka izao:

1. Mianatra tsara ny soratra masina. Araka izay nolazain’ ny filohan’ ny tempoly talohairay hoe: “Fantaro avy amin’ ny tenanao manokana hoe iza tokoa moa i Jesoa Kristy.Afaka mahafantatra Azy ianao, ary rehefa manao ireo fanekempihavanan’ ny tempolymiaraka amin’ Andriamanatra ianao dia mametraka ny tananao eo amin’ ny azy, arymandray fitahiana avy amin’ ny tanany lalandava” (notantaraina tao amin’ nyKathleen Lubeck, “Preparing for the Temple Endowment,” New Era, Feb. 1987, p. 11).

2. Mitandrina ny didy mba hahafahanao ho mendrika amin’ ny fotoana rehetra. Asaovymamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:15–17 ny zatovovavy.Hadidadio izay dikan’ izany soratra masina izany amin’ ireo zatovovavy rehefa miomana ny ho any amin’ ny tempoly izy ireo.

3. Miresaka amin’ ireo ray aman-dreny na olon-kafa izay efa nandeha tany amin’ ny tempoly. Iangavio izy ireo hanazava izay dikan’ ny tempoly aminy ary ny fomba nitahian’ izany ny fiainan’ izy ireo.

Famelabelaranaataon’ ny mpampia-natra na ny eveka

Miomana hankany amin’ ny TempolyLesona

17

Page 80: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

71

Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ ny hafaliana izay ho tonga amin’ ireo izay miainaamim-pahamendrehana mba hiditra ny tempoly handray ny fanafiana masiny sy izaymijanona ho mendrika ireny fitahiana ireny mandritra ny fiainany.

Fanontaniana momba ny Tempoly

Ity no fotoana tsara hamaliana ireo fanontaniana izay ananan’ ny zatovovavy mikasika ny fanafiana masina. Hita ato ireo fanontaniana sivy izay matetika omen’ ny tanora rehefamiomana ny handeha voalohany any amin’ ny tempoly izy ireo. Azonao atao, raha tianao,ny mizara ho an’ ny zatovovavy ireo tapa-taratasy sivy nasiana nomerao izay ahitana iretofanontaniana manaraka ireto. Ampiasao ny fanazavana eo ambany raha ilaina hamalianaireo fanontaniana.

1. Inona no tokony hataon’ ny zatovovavy an-tsaina rehefa mandeha voalohany anyamin’ ny tempoly izy?

Hanome fitiavana sy fanampiana ireo izay miasa amin’ ny ôrdônansy. Ho eo anilan’ ny zatovovavy mandrakariva ireo rahavavy raha mila fanampiana izy.

“Tokony ho fantatrao koa fa raha mandeha voalohany any amin’ ny tempoly ianao dia tsyhavela ho tsy hisy mpanotrona. Ireo mpiandraikitra ao amin’ ny tempoly, ireo mpandray,ary ireo olona hafa izay voatendry hiasa ao dia hanampy anao mba hahatonga ny zavatraiainanao ao amin’ ny tempoly ho mahafinaritra sy hisy lanjany. (ElRay L. Christiansen,“Some things You Need to Know about the Temple,” New Era, Jona 1971, p. 27).

2. Afaka manatrika ilay fotoan-dehibe miaraka amiko ve ny fianakaviako, ny fofombadi-ko na ny namako?

Ny zatovovavy izay mandeha voalohany any amin’ ny tempoly dia afaka miaraka amin’ny reniny, rahavaviny, mpampianatra na namana raha toa ka manana fahazoan-dalanamankany amin’ ny tempoly izay tsy mbola lany andro ilay olona.

3. Inona no tokony hoentiko any amin’ ny tempoly?

Zavatra roa ihany no tena ilaina. Ny iray dia fahazoan-dalana mankany amin’ ny tempoly vao haingana (mila iray vaovao isan-taona) izay voasonian’ ny eveka sy nympikambana iray ao amin’ ny fiadidiana ny tsatòka. Ilay iray hafa dia ny garimentan’ny tempoly ambony ambany iray. Afaka manontany ny filohan’ ny FikambananaIfanampiana ao amin’ ny paroasy ny zatovovavy mba hahafantarana izay toerana hividianana ny garimenta.

4. Inona no fitafiana tokony hanaovana mankany amin’ ny tempoly?

Ny zatovovavy dia tokony hanao fitafiana maontina mankany amin’ ny tempoly.Akanjo misy tanany no tsara. Rehefa avy mandray ny fanafiana masina ny zatovovavy,dia tokony ho maontina ny fitafiany rehetra, na hanaovana any amin’ ny tempoly natsia. Tsy mety ho an’ ny zatovovavy ny manao pataloha any amin’ ny tempoly.

5. Hilaiko ve ny fitafiana voatokana ho an’ ny tempoly?

Ao amin’ ny tempoly dia manao fitafiana voatokana fotsy ireo izay mandray ny fana-fiana masina. Ny fitafiana rehetra izay ilaina dia azo ofaina any amin’ ny tempoly, nakoa azo vidina. Tokony hiresaka izany zavatra izany miaraka amin’ ny evekany nyzatovovavy alohan’ ny hankanesany any amin’ ny tempoly.

Ny Loholona Hugh B. Brown dia manome soso-kevitra momba ny anton’ ny fitafianavoatokana:

“Eto dia tsy ireo fitafiana andavanandro ihany no avelantsika fa ireo eritreritra andava-nandro koa, ary tsy hiezaka ny hampitafy lamba fotsy madio ny vatantsika fotsiny fakoa ny saintsika amin’ ny eritreritra madio. Enga anie ka mba hahazo tombon-tsoaamin’ ny teny izay voalaza isika sy amin’ izay maharitra kokoa sy mandaitra kokoa,ary handray fampianarana avy amin’ ny Fanahy Masina” (araka ny notantarain’ iElRay L. Christiansen, “Some Things You Need to Know about the Temple,” p. 26).

6. Nahoana no manao fitafiana mitovy daholo ny olona rehetra ao amin’ ny tempoly?

“Ao amin’ ny tempoly dia miakanjo fotsy mitovy daholo ny rehetra. Ny fotsy dia mariky ny fahadiovana. Tsy misy olona tsy madio mahazo lalana hiditra ny tranon’

Fanadihadiana mia-raka amin’ ny mpam-pianatra na ny eveka

Fijoroana hovavolombelona

Page 81: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

72

Andriamanitra. Ankoatra izany, ny akanjo mitovy dia manambara fa mitovy daholo ny olona rehetra eo anoloan’ Andriamanitra izay Raintsika any an-danitra. Ny mpanga-taka sy ny mpiasan’ ny banky, ny nahita fianarana sy ny tsy nahita fianarana, ny zana-kalahin’ ny mpanjaka sy ny mpangataka dia miara-mipetraka ao amin’ ny tempoly arymitovy lanja raha miaina amim-pahamarinana manoloana ny Tompo AndriamanitraRain’ ny fanahin’ izy ireo. Fahaizana sy fahatakarana ara- panahy no raisina ao amin’ nytempoly. Manana toerana mitovy ny rehetra eo anoloan’ ny Tompo” (John A. Widtsoe,“Looking Toward the Temple,” Ensign, Jan. 1972, p. 58).

7. Tokony hanao ny garmentan’ ny tempoly mandritra ny fiainany manontolo ve nyolona rehefa avy nandray ny fanafiana masina?

Ny mpikambana dia mandray ny garmentan’ ny tempoly amin’ ny fanafiana masinaary rehefa izany dia manao izany mandritra ny fiainan’ izy ireo manontolo. Tokony tsyhokitihan’ izy ireo na hesorin’ izy ireo ny garmenta mba hahafahany manao lamaodytsy maontina. Hoy ny Filoha Joseph F. Smith:

“Ny Tompo dia nanome antsika ny garmentan’ ny fisoronana masina…. Ary mbola misyamintsika ny manimba izany mba hahafahantsika manaraka ny hadalana, hakevohana,ary (mamelà ahy hilaza hoe) ny fomba fanao mahamenatr’ izao tontolo izao. Mba hahafa-han’ izany olona izany manara-damaody dia tsy misalasala izy ireo manimba izay toko-ny hotandrovina…. ho masina …. Tokony hotandrovin’ izy ireo ho masina, tsy miova,ary tsy hiova amin’ ilay modely izay nomen’ Andriamanitra azy ireo zavatra izay nome-ny azy ireo. Aoka isika hanana herin-tsaina mba hanohitra ny hevitry ny lamaody, aryindrindra raha manery antsika handika ny fanekempihavanana ilay lamaody ary hanaofahotana lehibe.” (“Editor’s Table”, “Improvement Era, Aog. 1906, p. 813).

8. Afaka mankany amin’ ny tempoly handray ny fanafiana masiny tsy miaraka amin’ nyvadiny ve ny vehivavy mpikambana manambady? Afaka mandray ny fanafiana masi-ny ve ny vehivavy mpikambana izay tsy manambady?

Ny vehivavy manambady izay tsy nandray ny fanafiana masina ny vadiny dia azoomena fahazoan-dalana mba handray ny fanafiana masiny, raha toa ka mendrika izyary nahazo taratasy fanomezan-dalana avy amin’ ny vadiny ny eveka. Ny eveka sy nyfilohan’ ny tsatòka dia tokony haka toky fa ny andraikitra sahanin’ ilay vehivavy amin’ny fanafiana masina dia tsy hanakorontana ny firindran’ ny fanambadiany.

Ny mpikambana tsy manambady dia afaka mandray ny fanafiana masiny raha toa izyka mendrika sy manana fahamatorana ampy mba hahatakatra sy hitandrina ireo fane-kempihavanana atao any amin’ ny tempoly. Ny mpikambana tsy manambady izaymaniry ny handray ny fanafiana masina dia tokony handray torohevitra avy amin’ ny eveka sy ny filohan’ ny tsatòka.

Ny vehivavy tsy manambady dia afaka mankany amin’ ny tempoly hanao ny fanafianamasina, raha toa ka miomana ny hanao asa fitoriana izy.

9. Nahoana no tena tsy azo resadresahina ny fanafiana masina any amin’ ny tempoly?

Ny ôrdônansin’ ny tempoly dia tena masina tokoa, hany ka tsy atao eny imasom-bahoaka. Atokana ho an’ ireo izay mendrika tamin’ ny fiaina amim-pahamarinana ireryihany izany. Izany dia tanterahina any amin’ ny toerana izay voatokana ho amin’ izanytanjona izany ihany. Lehibe tokoa ny fahamasinany, hany ka tsy azo atao ny miresadre-saka izany amin’ ny antsipiriany any ivelan’ ny tempoly.

“Fitahiana maro no ho tonga amin’ ireo izay mandray sy manaja ireo ôrdônansy masinaireo, izay ilaina tokoa mba hahazoana ny fisandratana faratampony. Ny fandraisana anja-ra amin’ ny asan’ ny tempoly dia manome hery sy tanjaka ary fampianarana izay ilainaamin’ ny fitsipiky ny filazantsara, ary ny tempoly dia toerana fandinihana sy fivavahana.

“Ny tempoly dia toerana masina lavitra izao tontolo izao, lanitra kely et˜ an-tany, aryilaina ny manohy miaina amim-pahamendrehana mba hahafahana mankany amin’ nytempoly matetika sy hanavao ny fanekempihavanana” (ElRay L. Christiansen, “SomeThings You Need to Know about the Temple.” p. 27).

Page 82: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

73

Famaranana

Soratra Masina Rehefa avy nahazo fotoana ampy nanontaniana momba ny tempoly sy ny fanafianamasina any amin’ ny tempoly ny zatovovavy, dia mamaky ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 105:18. Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ ny fahamarinan’ iosoratra masina io, ary koa ny maha-zava-dehibe ny fanafiana masina.

Asao ny zatovovavy mba hanolo-tena hiaina mendrika ny fahazoan-dalana mankanyamin’ ny tempoly isan’ andro ary mba hampiseho fahamaontinana isan’ andro eo amin’ny fomba fiakanjony, mba hahatonga azy ireo ho vonona amin’ ny fiankanjoana ny gar-mentan’ ny tempoly.

Fampiasana azo atao ao an-dakilasy

Ny iray na ny maro amin’ ireto fampiasana manaraka ireto dia ho fanaraha-maso tenatsara amin’ ity lesona ity.

1. Manomàna dinidinika amorom-patana miaraka amin’ ny eveka mba hiresahana bebekokoa ity fanovozan-kevitra ity ary mba hamaliana fanontaniana.

2. Mankanesa any amin’ ny tempoly izay misokatra ho an’ ny daholobe alohan’ ny hano-kanana azy.

3. Mankanesa any amin’ ny tempoly mba hanatanteraka batisa ho an’ ny maty.

Lesona 17

Page 83: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

74

Ny fanambadiana any amin’ ny tempoly

TANJONA Ny zatovovavy tsirairay dia hahafantatra fa ny fanapahany hevitra hanambady anyamin’ ny tempoly dia misy vokany mandrakizay.

FANOMANANA 1. Manomàna taratasy nohetezana dimy misy ny fanontaniana izay omena ao amin’ ny fizarana faharoa amin’ ny lesona.

2. Manaova telozoro izay misy soratra Andriamanitra, Ny lahy, Ny vavy (mpivady) eoamin’ ny zorony telo ary ny soratra hoe Telozoro Masina eo ampovoany, ho an’ nympianatra tsirairay.

3. Manendre zatovovavy mba hanolotra ireo tantara, soratra masina ary teny nindraminaizay nofidinao.

Fanamarihana: Rehefa mampianatra ity lesona ity ianao, dia tadidio fa ny sasany amin’ireo zatovovavy dia avy amin’ ny fianakaviana izay tsy miaina amin’ ny fomba izayhanomana azy ireo hiaraka any amin’ ny fanjakana selestialy. Aoka ho tsapa izany.Ampio ny zatovovavy hahalala fa afaka mitaona ireo fianakaviany amin’ izao fotoanaizao amin’ ny tsara izy ireo ary afaka manorina fianakaviana mandrakizay ho azy ireomanokana indray andro any.

SOSO-KEVITRA HAMELABELARANA NY LESONA Fampidirana

Soraty eny amin’ ny solaitrabe ny teny Telozoro Masina. Manorita telozoro eo ambanin’izany.

Lazao ny kilasy fa afaka manome fanontaniana roapolo izy ireo mba hahitana izay ase-hon’ ilay telozoro. Amin’ ny eny na tsia ihany no ahafahanao mamaly ny fanontaniany.Rehefa hitany fa mampiseho ny fifandraisan’ ny mpivady ary Andriamanitra ilay telozo-ro, dia soraty er˜ amin’ ny tendron’ ilay telozoro ny Andriamanitra, ary ny teny Ny lahy sy Ny vavy dia eo amin’ ireo zorony roa hafa.

Fanadihadiana Hazavao fa any amin’ ny fanambadiana any amin’ ny tempoly dia afaka mitahy sy mita-rika ny mpivady tanteraka kokoa noho ny amin’ ireo karazam-panambadiana hafaAndriamanitra.

Omeo izao fanontaniana manaraka izao:

• Firy aminareo no efa nandre lesona na toriteny mikasika ny fanambadiana any amin’ny tempoly?

• Firy no efa nandre lesona na toriteny mihoatra ny iray mikasika ny fanambadiana anyamin’ ny tempoly?

• Araka ny hevitrao, nahoana ny Tompo no manome aingam-panahy ireo mpitariny mbahitarika antsika hampianatra io fitsipika masina io hatrany hatrany?

Hazavao fa tian’ ny Tompo ny ahafantaran’ ny olona rehetra ao amin’ ny Fiangonana nyadidy masiny mba hofehezina mandritra ny androm-piainana sy mandrakizay ary nyvokatra mandrakizain’ io fanapahan-kevitra io.

Soraty eny amin’ ny solaitrabe ny tanjon’ ny lesona, ary mamaky izany miaraka ny zatovovavy.

Lesona

18

Page 84: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

75

Mitondra fitahiana lehibe ny fanambadiana any amin’ ny Tempoly

Asaovy lazain’ ny zatovovavy ny anaran’ ireo karazana fanambadiana roa izay azontsikampikambana ao amin’ ny Fiangonana atao.

Rehefa voatonona ny fanambadiana ara-panjakana, dia apetaho ilay taratasy nohetezanamisy soratra, na soraty eny amin’ ny solaitrabe ny hoe: Fifanarahana mandritra ny androm-piainana. Rehefa voatonona ny hoe fanambadiana any amin’ ny tempoly, dia apetaho ilaytaratasy nohetezana misy soratra, na soraty eo amin’ ny ilan’ ny solaitrabe ny hoe:Fanekempihavanana mandrakizay.

Zarao ireo fanontaniana dimy izay efa nomaninao. Asaovy vakin’ ny zatovovavy izany,ary avelao ny mpianatra hanadihady ny valiny. Ampiasao ireo soratra masina sy fanaza-vana eto ambany mba hanampy ny zatovovavy hahazo ireo hevitra. Fintino eo ambanin’izay lohateny mifanaraka amin’ izany ny valin-teny. Asaovy mijery ny Fotopampianaranasy Fanekempihavanana 132 ny zatovovavy ary asaovy miomana hamaky ireo soratramasina naroso.

1. Aiza no toerana hanaovana ny fanambadiana?

Ara-panjakana: Ao an-trano, fiangonana, biraon’ ny firaisana eny rehetra eny.

Tempoly: Ao amin’ ny efitrano masina anaovana ny famehezana ao amin’ ny tempoly.

2. Iza no hanatanteraka ny fanambadiana?

Ara-panjakana: Ben’ ny tanàna, mpitandrina, mpitsara, eveka, filohan’ ny tsatòka.

Tempoly: Olona izay voatondro sy nomena ny fahefana mamehy avy amin’ ny mpami-nanin’ ny Tompo.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:7–8 mba hahitana izay mana-tanteraka ny fanambadiana any amin’ ny tempoly.

Hazavao fa ny mpaminanin’ ny Fiangonana dia mihazona ny fahefan’ ny fisoronanamba hamehy ny lehilahy sy ny vehivavy miaraka mandritra ny androm-piainana symandrakizay. Manome izany herin’ ny fisoronana izany amin’ ny hafa izy, izay rehefaizany dia manana fahefana avy amin’ Andriamanitra mba hanatanteraka ny ôrdônansymamehy any amin’ ny tempoly, izay mamatotra ny fianakaviana hiaraka mandrakizay.

3. Hafiriana no haharetan’ izany fanambadiana izany?

Ara-panjakana: Mandra-pahafatin’ ireo mpivady.

Vakio Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:14–15.

Tempoly: Mandritra ny androm-piainana sy mandrakizay.

Vakio izao teny nindramina manaraka izao:

“Mandrakizay ny fiainana. Ny fahafatesana dia tsy mamarana ny fisian’ ny olombelona.Miaina hatrany hatrany izy…. Afaka mitohy hatrany ny fifaliana tena lehibe ao amin’ nyfiainam-panambadiana marina. Ny fifandraisana tena tsara eo amin’ ny ray aman-drenysy ny zanaka dia azo atao izay hampaharitra azy. Ny fifandraisana masin’ ny fianakavia-na dia tsy hanam-piafarana raha toa ka efa voafehy tamin’ ny famatorana masin’ nyfanambadiana mandrakizay ireo mpivady. Tsy hanam-pahataperana ny fifaliana sy nyfivoaran’ izy ireo” (Spencer W. Kimball, tao amin’ ny Conference Report, Okt. 1964, p. 25;na Improvement Era, Des. 1964, p. 1055).

4. Inona no hataon’ ny olona any amin’ ny mandrakizay?

Ara-panjakana: Ireo izay afaka nandray ny fanekempihavanan’ ny fanambadiana mandra-kizay tany amin’ ny tempoly masina nefa nifidy ny hivady any ivelan’ ny tempoly diaafaka hiditra ny fanjakana selestialy na ny iray amin’ ireo fanjakana hafa. Tsy afaka nyhasandratra any amin’ ny faratampony sy hiaina mandrakizay miaraka amin’ ny fianaka-viany anefa izy ireo. Hiaina irery izy ireo, ary ho anjely manompo ireo izay nifidy nyhanaraka ny drafitr’Andriamanira. Hamoy fitahiana lehibe izy ireo satria “mieritreritrabebe hatrany ny an’ izao tontolo izao sy ny fanekempihavanany toy izay Andriamanitrasy ny fanekempihavanany” (Joseph Fielding Smith, Doctrines of Salvation, nangonin’ i Bruce R. McConkie, Boky 3 [Salt Lake City: BookCraft, 1954–56], 2:65).

Fanadihadianaampiasanasolaitrabe

Page 85: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

76

Ny ôrdônansin’ ny famehezana dia azo tanterahina aorian’ ny fahafatesana ho an’ ireoizay tsy afaka nanao ny fanambadiana tany amin’ ny tempoly teto amin’ ity fiainana ity.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:16–17.

Tempoly: Ireo izay nivady tany amin’ ny tempoly masina sy tsy nivadika tamin’ ireofanekempihavanana izay nataony tany dia ho tonga andriamanitra. Hasandratra hoamin’ ny faratampony izy ireo ary hanana ny hery rehetra. Hiaina mandrakizay amin’ny maha-fianakaviana azy izy ireo.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:19–20.

5. Ho toy inona ny ho fiainan’ ilay fianakaviana any amin’ ny mandrakizay?

Ara-panjakana: Ireo izay nanambady nandritra ny androm-piainana fotsiny dia tsy afakany hiaraka amin’ ireo olona ao amin’ ny fianakaviany amin’ ny fiainana ho avy. Hiainairery izy ireo. Ho loharanon’ alahelo lehibe ho azy ireo izany.

Tempoly: Ireo izay nanambady tany amin’ ny tempoly ary niaina tamim-pahamendre-hana nandritra ny fiainany dia hampiraisina amin’ ireo ray aman-dreniny, anadahinysy rahavaviny ary ny zanany marina mandrakizay. Izany firaisan’ ny fianakavianamitohy izany dia iray amin’ ny fitahiana tena lehibe izay azon’ Andriamanitra omenany zanany.

• Karazam-panambadiana toy inona no manana fahafahana hitondra hasambaranalehibe indrindra? Nahoana?

Ny fahamendrehana mitohy dia mamela antsika hahazo ny fitahiana avy amin’ nyfanambadiana selestialy

Miverena amin’ ilay telozoro masina. Anontanio ny kilasy ireo olona telo izay mandrayanjara ao amin’ ny fanekempihavanana masina izay atao any amin’ ny tempoly.

Fafao ilay tsipika manomboka eo amin’ ny mpivady ka hatreo amin’ Andriamanitra arymamelà tsipika mahitsy marindrano.

Hazavao fa tokony hanao izay rehetra azony atao ny zatovovavy mba hisorohana ny toe-javatra izay hahatonga an’ Andriamanatra tsy hanana anjara ao amin’ ny fanambadian’izy ireo.

Vakio indray ny ampahany manaraka ao amin’ ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 132:19. Iangavio ny kilasy mba hitady izay tsy maintsy miseho amin’ny fanambadiana tsirairay any amin’ ny tempoly alohan’ ny haharetan’ izany mandrakizay.

“Ankoatra izany, lazaiko aminao marina dia marina tokoa, fa raha mampakatra vehivavyamin’ ny teniko, dia ny lalàko ny lehilahy iray, ary amin’ ny fanekempihavanana vaovao symaharitra mandrakizay, ka fehezin’ ny Fanahy Masin’ ny fampanantenana izany, ataon’ilay izay voahosotra, izay notolorako io fahefana io sy ireo fanalahidin’ io fisoronana io.”

Ataovy azo antoka tsara ny fahafantaran’ ny zatovovavy fa ny fanambadiana dia tsymaintsy fehezina amin’ ny alalan’ ny Fanahy Masin’ ny Fampanantenana.

Hazavao fa ny zavatra atao izay fehezina amin’ ny alalan’ ny Fanahy Masin’ nyFampanantenana dia zavatra izay ankasitrahan’ ny Fanahy Masina sy ny Tompo. Nyôrdônansy masina tsirairay izay raisintsika dia tsy maintsy ankatoavina amin’ io fombaio mialohan’ ny famehezana azy mandrakizay. Tsy maintsy miaina amim-pahamendre-hana isika mba handraisana ireo fitahiana rehetra izay nampanantenaina antsika. Tsytonga ho azy eo amintsika ireo fitahiana ireo satria efa nandray ôrdônansy isika.

Misy olona sasany izay nivady tany amin’ ny tempoly tsy nitandrina ireo fanekempiha-vanana izay nataony. Tsy handray ny fitahian’ ny fianakaviana mandrakizay izy ireosatria tsy hankatoavin’ ny Tompo ny fanambadiany tany amin’ ny tempoly. Ireo izaymitandrina ny fanekempihavanany sy miaina amim-pahamendrehana mandritra nyandrom-piainany dia handray ny fitahian’ ny fisandratana faratampony izay nampanan-tenaina, satria ny fanambadiany tany amin’ ny tempoly dia hofehezina amin’ ny alalan’ny Fanahy Masin’ ny Fampanantenana.

Antitrantero fa ny fanambadiana any amin’ ny tempoly dia tsy antoky ny fianakavianamandrakizay sy ny fisandratana faratampony. Ny zatovovavy tsirairay dia tsy maintsy

Famakafakanasoratra masina

Lesona ampiasanazavatra

Page 86: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

77

miezaka hatrany mba hitandrina ny didin’ ny Tompo, sy ny fanekempihavanana rehetraizay natao tany amin’ ny tempoly mandritra ny fiainany.

Hazavao fa raha mandray eo amin’ izy ireo ny fanekempihavanan’ ny fanambadianamandrakizay ny olo-marina sy mendrika roa, dia hanana anjara ao amin’ ny fanamba-dian’ izy ireo Andriamanitra.

Avereno soritana ilay telozoro masina. Angataho ny zatovovavy mba hanome soso-kevi-tra izay hahatonga ny fanambadiana iray ho voatahy amin’ ny fananan’ Andriamanitraanjara ao amin’ izany. Azonao atao, raha tianao, ny mizara ny zava-nodiavinao manoka-na, na ny an’ ny olona iray hafa mba hanazavana fa ny fanambadiana any amin’ ny tem-poly dia azon’ Andriamanitra tahina.

Hazavao fa ny fiomanana ho amin’ ny fanambadiana mandrakizay dia tsy ho voatontosamandritra ny ora, na herinandro vitsy, na amam-bolana aza. Ny fiomanana toy izany diamaharitra taona maro, ary ilaina hatomboka dieny izao.

Famaranana

Omeo telozoro kely tsirairay avy ny zatovovavy, izay misy soratra Andriamanitra, er˜amin’ ny tendrony iray; Ny lahy, eo amin’ ny iray hafa; Ny vavy (mpivady), eo amin’ ilayfahatelo; ary ny teny hoe Telozoro Masina manapaka eo afovoany. Asaovy manoratra aoambadika ny tsirairay hoe: “Hiomana dieny izao aho mba ho mendrika ny handray anja-ra ao amin’ ny telozoro masin’ ny fanambadiana mandrakizay.”

Lesona ampiasanazavatra

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Lesona 18

Page 87: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

78

Ny lova

TANJON Ny zatovovavy tsirairay dia hahafantatra ny maha-zava-dehibe ny fomba nentim-paha-razana izay raisiny sy ampitainy amin’ ireo taranaka faramandimby.

FANOMANANA 1. Avereno jerena ny fahitan’ i Lehia momba ny hazon’ aina izay voarakitra ao amin’ ny1 Nefia 8.

2. Manomàna penina sy taratasy ho an’ ny mpianatra.

3. Mifantena iray na maromaro amin’ ireo fampiasana aseho ao amin’ ny tapany voaloha-ny amin’ ny lesona; ary miomàna araka izany. Angony ireo fitaovana rehetra ilaina, aryataovy ireo rehetra ilaina asaina atao mba hahazoana antoka fa hahaliana sy hahazoan’ny kilasy tombon-tsoa ity ampahany amin’ ny lesona ity.

4. Vakio ny fanovozan-kevitra any amin’ ny faran’ ny lesona. Ampiasao izany mbahanampy anao hanomana ny lesona. Azonao atao koa, raha tianao, ny hizara ny ampa-hany amin’ izany amin’ ireo zatovovavy.

5. Manendre zatovovavy mba hanolotra ireo tantara, soratra masina, na teny nindraminaizay nofidinao.

SOSO-KEVITRA HAMELABELARANA NY LESONA Manana lova tsy manam-paharoa ny tsirairay

Teny nindramina Tamin’ ny fanokafana ny fampisehoana ny mozika “Un violon sur le toit”, dia hoy iTevye, lehilahy Rosiana mpiompy, izay taranaka Jiosy:

“Eto Anatevka, dia manana ny fombanay nentim-paharazana izahay amin’ ny zava-dre-hetra— fomba fihinana, fomba fatory, fomba fiasa, eny fa na dia ny fomba fiakanjo aza.Ohatra, manarona ny lohanay lalandava izahay; mitafy itony saly kely fivavahana itonyizahay. Izany dia mampiseho ny fanokananay tena lalandava ho an’ Andriamanitra.Mety hanontany angamba ianareo hoe ahoana no niantombohan’ ity fomba nentim-paha-razana ity? Hilaza aminareo aho hoe—Tsy fantatro! Fa fomba nentim-paharazana izany.Noho ny fombanay nentim-paharazana, dia mahafantatra ny rehetra eto hoe iza izy, aryinona no andrasan’ Andriamanitra aminy.”

Fanadihadiana Iangavio ny zatovovavy mba hanome ohatra amin’ ireo fomba nentim-paharazana izay avyamin’ ny fianakavian’ izy ireo, ny kolontsainy, ary ny tantaram-pireneny. Ny valin-teny diamety ahitana tantara, finoana, fomba amam-panao, ary fahatsiarovana niampitampitatamin’ ny taranaka nifandimby. Antitrantero fa manana fomba nentim-paharazana tsymanam-paharoa isika tsirairay avy noho isika avy amin’ ny fianakaviana samihafa; ary nyfianakaviantsika dia avy amin’ ny firenena samihafa sy fombafomba samihafa. Ny fombanentim-paharazana tsirairay dia misy dikany manokana eo amin’ ny fianakaviana tsirairay.

Mifantena iray na maromaro amin’ ireto fampiasana manaraka ireto mba hoentina mam-piseho ny fomba nentim-paharazana. Ireo fampiasana ireo dia tokony hampitombo nyfahalalana sy ny fahalianan’ ny zatovovavy momba ny lovan’ izy ireo tsirairay avy.Fanteno ireo fampiasana izay mifanaraka amin’ ny ilain’ ny mpianatra sy amin’ ny zava-mitranga eo amin’ izy ireo. Ataovy azo antoka fa hanana fotoana hampisehoana na haha-lalana fomba nentim-paharazana iray izay anisan’ ny lovany ny zatovovavy tsirairay.

1. Fantaro ny firenena niavian’ ny razamben’ ny mpianatra sasany ao amin’ ny kilasymisy anao. Fantaro ny momba ny fomba amam-panaon’ ny iray na maromaro amin’ireo firenena ireo. Asehoy na lazao ny ao an-dakilasy izany fomba amam-panao izany.Avelao ny mpianatra mba hamantatra ny firenena izay niavian’ izany fomba amam-panao izany.

Fampiasanaisafidianana

Lesona

19

Page 88: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

79

2. Asaovy mitondra zava-tsarobidy na lova, toy ny dantely, asa tanana na sary izay mam-piseho ny lova tsy manam-paharoan’ izy ireo ny mpianatra rehetra. Tokony ho vononany hilazalaza momba izany zavatra izany izy ireo—ny toerana niavian’ izany, izaynanamboatra izany, ary ny dikan’ izany ho an’ ny fianakaviana.

3. Asaovy manazava na mampiseho fomba nentim-paharazan’ ny fianakaviany toy nyfomba izay hankalazany ny fitsingerenan’ ny taona nahaterahana, na fialan-tsasatra nyzatovovavy tsirairay. Asaovy manazava ny fomba nivoaran’ izany fomba nentim-paha-razana izany izy, ary izay dikan’ izany aminy.

4. Raha mety, dia miresaha amin’ ny reny na reniben’ ny zatovovavy tsirairay avy.Asaovy manoratra taratasy ho an’ ny zanany vavy na zafikeliny izy, milaza momba nyfomba nentim-paharazana tsy manam-paharoa na ny endriky ny lovany izay metyhampisondrotra ireo zatovovavy. Tokony tsy hatao fantatry ny mpianatra ny fisian’izany taratasy izany, ary tokony haterina mandritra ny fampianarana.

Antitrantero fa ny zatovovavy tsirairay dia notahiana tamin’ ny lova tsy manam-paharoamisy fahafaha-manao zavatra mahafinaritra. Azy izany lova izany noho ireo razambeny.Tokony ho faly sy ho finaritra momba ny kolontsainy izy.

Lazao ny zatovovavy fa mba ho famatorana miaraka ny taranaka lasa sy ho avy ao amin’ny fianakavian’ izy ireo, dia hifantoka amin’ ireo zatovovavy amin’ izay ianao.

Amin’ ny alalan’ ny fiaina amim-pahamarinana, dia afaka manome lova mendrika ho an’ ny taranaka isika

Soraty eny amin’ ny solaitrabe ny hoe: Ho karazana razambe toy inona ianao?

Hazavao fa na dia tsy afaka nanara-maso izay toetran’ ny razambe izay ananantsika azaisika dia afaka kosa manapa-kevitra amin’ izay karazana razambe hahatongavantsika hoan’ ny taranatsika?

Asaovy mamaky ny 1 Nefia 1:1 ny mpianatra. Rehefa izany, dia asaovy averin’ izy ireojerena haingana ny 1 Nefia 2:1–15, ary asaovy valiny ny fanontaniana manaraka:

• Tamin’ ny fomba ahoana no naha-olon-tsongoin’ olom-bolo ny ray aman-drenin’ i Nefia?

1. Nahatoky tamin’ ny didy (jereo 1 Nefia 2:1)

2. Nankatò (jereo 1 Nefia 2:3)

3. Nitahy sy nampianatra ny zanany (jereo 1 Nefia 2:9–14)

Hazavao fa tokony haniry ny fahamarinana ho an’ ny zanatsika isika. Nahatsapa lalinany momba izany i Lehia. Avereno jerena ny fahitana ny hazon’ aina voarakitra ao amin’ny 1 Nefia 8. Asaovy vakin’ ny mpianatra ny 1 Nefia 8:12.

Antitrantero fa ny faniriana lehibe nananan’ i Lehia dia ny mba handraisan’ ny olona aoamin’ ny fianakaviany ilay voankazo, izay mampiseho ny fitiavan’ Andriamanitra. Amin’izao androntsika izao koa, ny fomba nentim-paharazana tena tsara azontsika omena nytaranatsika dia ny mitoetra ho mpikambana mendrika ao amin’ ny Fiangonana, miarakaamin’ ny fijoroana ho vavolombelona matanjaka momba ny filazantsara.

Asaovy vakin’ ny zatovovavy ny Môsià 1:5.

• Inona no vokatra nentin’ ny fomba nentim-paharazan’ ny rain’ ny Nefita sy ny Lamanita teo amin’ izy ireo?

Asaovy vakin’ ny zatovovavy ny Helamana 15:7–8

• Ahoana no fomba hanovana ny fitaoman’ ny fomba diso nentim-paharazana?Antitrantero fa ny fomba diso nentim-paharazana dia azo resena amin’ ny alalan’ ny fampitomboana ny finoana ny Tompo, ny fianarana ny soratra masina, ary ny fiatrehana ny fiovam-po izay fiovam-po amin’ ny filazantsara.

Teny nindramina Mba hanamafisana ny maha-zava-dehibe ny fampitana lova marina, dia vakio izao tenynindramina manaraka izao:

“Nandova ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra ianareo. . . . Zanak’ Andriamanitrateraka ara-panahy, ary ankehitriny dia velona tamin’ ny alalan’ ny heriny sy ny fitiavany.

Famakafakanasoratra masina

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Page 89: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

80

Ho anareo no nanomezany ny Zanany Lahitokana. Ho anareo dia velona i Kristy, maty,ary velona indray.

“Ity Fiangonana ity dia manome anareo lova-pahamarinana, fanekempihavanana, fanen-tanana, fankaherezana, fitarihan-dalana, fanana-namana sy fitarihana, hery mba hitsan-gana ao amin’ ny vovok’ ity fiainana ity mba ho amin’ ny fari-piainana vaovao.

“Tazony mafy ny lovanareo. Manan-danja lehibe izany. Atrakao ambony ny lohanareo.

“Mifalia amin’ ny maha-ianareo anareo—fa tsy olon-kafa. Miaraka amin’ ireo lovanaorehetra, dia ento ny anjara birikinao. Mandraisa anjara. Manatanteraha. Manompoa.Manaova tsaratsara kokoa. Misotroa betsaka avy amin’ ireo zavatra tsara eo amin’ nyfiainana sy avy amin’ ny fanahy. Aoka hiaina mba hahafahanao indray andro anymamindra amin’ ny zanakao sy ny zanaky ny zanakao ny fitahian’ ny lova izay mendrikakokoa noho ny anao aza.” (Elaine Cannon, “What of Your Heritage? ” Improvement Era,Aogositra. 1964, p. 690).

• Inona no azonao atao dieny izao mba hahatonga anao ho ray aman-dreny tsongoin’olom-bolo, miaraka amin’ ny fandovana ny fomba tena nentim-paharazana hampitainaamin’ ireo zanakao?

Soraty eny amin’ ny solaitrabe ny valin-tenin’ ireo mpianatra raha mbola manadihadyizany ianao. Mety hahitana izao manaraka izao izany:

Mba hahatonga ho ray aman-dreny tsongoin’ olom-bolo dia—

1. Ianaro ny filazantsara.

2. Ataovy izay ahazoana fijoroana ho vavolombelona.

3. Tandremo ny didy.

4. Ampitomboy ireo fomba tsara nentim-paharazana.

5. Ampitomboy ny talenta sy ny fanomezam-pahasoavana.

6. Mianara avy amin’ ny fianakaviana izay manana fomba tsara nentim-paharazana.

7. Manompoa ny hafa.

8. Mandraisa anjara amin’ ny fanjakan’ ny Tompo.

Famaranana

Zarao amin’ ny zatovovavy ny taratasy sy penina. Asaovy mandrakitra an-tsoratra nyfijoroana ho vavolombelona ananany na ny zava-niainany ara-panahy ny zatovovavy tsi-rairay mba ho fanombohana ny fandovana ny fomba tsara nentim-paharazana ho an’ nytaranany. Raha azo atao dia afaka manoratra ny tantara momba ny fiovam-pony amin’ny filazantsara izy. Tokony hotehirizina izany taratasy izany, ary tokony hampidirina ao amin’ ny boky fahatsiarovany, na tantara manokana.

Mijoroa ho vavolombelona fa ny zatovovavy dia tsy maintsy manomboka dieny izaomba hampivelatra ny fomba tsara nentim-paharazana izay azon’ izy ireo ampitaina amin’ny taranany. Mijoroa ho vavolombelona fa ny filazantsara no harena tena tsara izay azoomena ny taranaka faramandimby.

FANOVOZAN-KEVITRA “Eritrereto hoe hampianatra lesona na hanao lahateny amin’ andiana tanora Olomasin’

ny Andro Farany momba ny teny voalohany ao amin’ ny Bokin’ i Môrmôna ianao: “IzahoNefia, noho izaho nateraka ray aman-dreny tsongoin’ olom-bolo. . . .” (1 Nefia 1:1). Tsydia ho sarotra izany sa ahoana? Na dia eo izany rehetra izany, dia tsy hisy loatra trangan-javatra ekena eran-tany noho izany:—tombon-tsoa mahatalanjona ny hateraky ny rayaman-dreny tsongoin’ olom-bolo, sy ao amin’ ny tokantrano izay irina ny zaza, ary hotia-vina sy hotaizaina, ary hampianarina sy omena ohatra tsara.

“Eritrereto anefa fa nahafantatra tsara ilay tarika izay hampianarinao ianao, ary mahalalafa misy amin’ ireo tanora izay raha toa ity lesona ity ka ampianarina amin’ ny fomba izaymahazatra, dia hahavaky fo sy hiteraka disadisa sy fahasahiranana. Toy izany i John, izaynomen-dray aman- dreniny ohatra tokantrano tsy filamatra mihitsy; izay tsy niara-mipe-

Fijoroana hovavolombelona

Fampiasanaan-tsoratra

Fanadihadianaampiasanasolaitrabe

Page 90: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

81

traka na nisaraka taorian’ ny fiaina zava-mangidy sy tsy fahatokiana, ary fifandirana tsytapaka mampalahelo. Miady mafy i John mba hanana fiainana tsara, ary tsy tafandry man-dry ka tapa-kevitra ny hanao izay hahatonga azy ho olona tsara sy hanomana tokantranosambatra ho azy. Toraka izany koa i Phyllis, izay nanana fianakaviana nifidy ny lalanamifanohitra tanteraka amin’ izay narahin’ izy ireo tany am- boalohany, dia ny lalana tianyharahina. Eo andanin’ izany i Robert izay tia ny rainy saingy sahiran-tsaina, satria nyrainy dia mihevitra fa ny fihazana, ny fanjonoana, ny lalao baolina, ary koa ny paraky syny sigara dia manan-danja kokoa noho ireo zavatra azony atao ao amin’ ny fisoronana.

“Ahoana no hampianaranao ny lesonao amin’ ireo tanora ao amin’ io tarika io?

“Azonao atao, raha tianao, ny miatrika avy hatrany ireo toe-javatra misy; ary manaiky fa na dia fantatry ny tsirairay amintsika aza fa ny fifaliana avy amin’ ny lova mahatehotia diafitahiana lehibe; dia maro ihany ireo ray aman-dreny sy tokantrano tsy araka ny tokony hoizy. Matetika sy mendri-piderana izany, dia fitaomana tsara eo amin’ ny ray aman-dreny syao an-trano ny tanora mahery fo sy mahatoky; fa matetika dia marina fa kely dia kely nyzavatra azo atao mba hanovan’ ny zanakalahy na zanakavavy ny ray aman-dreny, izaymiezaka fatratra ny hanatsara ny lovany.

“Ny azo sy tokony hampianarina dia ny hoe: na dia tsy afa-manoatra firy aza isikamomba ny fanatsarana ny ray aman-drenintsika dia misy zavatra maro kosa azontsika ataomba hanapahantsika hevitra ny amin’ izay karazana ray aman-dreny hananan’ ny zanatsika! Avyamin’ ilay filazana lehibe ao amin’ ny soratra masina manao hoe: ‘Izaho Nefia, nohoizaho nateraka ray aman-dreny tsongoin’ olom-bolo . . .’ dia afaka mampianatra amim-pahombiazana lehibe sy amin’ ny fahatsoram-po isika, ‘Izaho John dia maniry mafy nymba ho tonga ray aman- dreny tsongoin’ olom-bolo indray andro any. . ..’

“Hoy ny olona iray: ‘Faniriana ny mba ho avy amin’ ny taranaka tsara, fa ny voninahitradia an’ ny razambentsika.’

“Fanamby sy tanjona ny ho tonga ho ray aman-dreny tsongoin’ olom-bolo, sy atao ho an’ ireo tanora tena matanjaka sy tapa-kevitra tanteraka; ary ny fahatrarana izany tanjonaizany dia mipetraka mivantana eo an-tsoroky ny tsirairay. Afaka ny ho tonga araka izayiriny tanteraka sy izay tiany ny olona iray. . . .

“Ny tanora dia manana ny voan’ ny ho avy ao amin’ izy ireo amin’ izao fotoana izao. Rahaaraka ny andrandraina ny fandehan-javatra rehetra, dia hisy ireo izay hiantso azy ireo‘dada’ na ‘neny’ indray andro any, ary izay ho tena voatariky ny toetran-dreny na rayizay ananany. Amin’ ny maha-ray aman-dreny azy any aoriana, dia ilainy ny mianatrany tena maha-zava-dehibe ny lova tsara; afaka mianatra izany avy ao amin’ ny soratramasina anefa izy ireo amin’ ny fomba izay manentana, sy manome aingam-panahy, aryizay handrisika sy hanentana azy ireo ho tonga ‘ray aman-dreny tsongoin’ olom-bolo .’(Marion D. Hanks, “I, Johnny, Parent-to-Be . . . ,” Improvement Era, Feb. 1961, p. 97, 113).

Lesona 19

Page 91: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3
Page 92: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

Fandraisana anjara amin’ ny asa fitoriana

Page 93: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

84

Ny fahafantarana ny andraikitry ny misiônera

TANJON Ny zatovovavy tsirairay dia hahafantatra ny andraikitry ny misiônera.

FANOMANANA

1. Sary 12. Misiônera mpiara-mitory, hita any amin’ ny faran’ ny boky fampianarana.

2. Manomàna peta-drindrina, na tabilao misy ny fandaharam-potoan’ ny misiônera isan’andro.

3. Isafidianana: Asaovy miomana ny hihira ny “Appelés à servir” (Cantiques, no 160) ny zatovovavy.

4. Manendre zatovovavy mba hanolotra ireo tantara, soratra masina, na teny nindraminaizay nofidinao.

Ity lesona ity dia manadihady ny andraikitry ny misiônera amin’ ny fotoana maharitra.Tokony hanao asa fitoriana ny zatovolahy rehetra. Ny vehivavy tsy manambady izayiraika amby roapolo taona no ho miakatra dia afaka manao asa fitoriana amin’ ny fotoanamaharitra ihany koa. Na izany aza anefa, ny rahavavy izay mbola tanora dia tsy tokonyhahatsapa ho voatery, ary tsy tokony ho maimaika fotsiny hanao asa fitoriana amin’ nyfotoana maharitra. Tsy tokony hanelingelina ny fahafahan’ ny zatovovavy hanambadyny asa fitoriana.

SOSO-KEVITRA HAMELABELARANA NY LESONA Fampidirana

Sary sy tantara Asehoy ny sarin’ ireo misiônera mpiara-mitory, ary lazao izao tantara manaraka izao:

Taorian’ ny taona maro niomanana, dia tao amin’ ny seranam-piaramanidina ny loholonairay, izay vonona ihany tamin’ ny farany ny handeha any Guatemala hanao asa fitoriana.Hoy izy: “Rehefa tonga teo amin’ ny varavarana mitsofoka any amin’ ny faritra fiainganaaho, dia nilaza ny raiko hoe: ‘Ry zanako lahy, ankatoavy ny lalàna rehetra dia ho sambatraianao eo amin’ ny fiainana.’ Nihatoka aho, ary nilaza maikamaika hoe; ‘Eny ry Dada’, dialasa aho. Raha nanatona ilay fiaramanidina aho dia nihomehy irery tamin’ ny tenako.‘Nifamadika indray ny teninao ry Dada.’ Ny tianao holazaina dia hoe: ‘Ankatoavy ny lalà-na rehetra, dia ho sambatra ianao any amin’ ny saha fitoriana.’ Rehefa izany dia navalokotany amin’ ny fitadidiako lalina tany ny toroheviny , tao amin’ ny hoe ‘Torohevitry ny Rayaman-dreny’.

“Fito volana tat˜ aoriana dia maty ny raiko.”

Tamin’ ireo ora voalohany taorian’ ny nilazan’ ny filohan’ ny misiona taminy ny lozam-piaramanidina mampalahelo nahazo an-drainy, dia nisafotofoto sy kivy izy. Ny ampahanyiray tao aminy dia nilaza hoe: “Inona no ataonao eto? . . . Nandeha tat˜ amin’ ny toeranahafahafa ianao, miaraka amin’ ny olona hafahafa sy fomba fanao hafahafa; ary ny rainaodia maty. Tsy isalasalana fa ity no roa taona tena mahasambatra eo amin’ ny fiainanao. Telo arivo kilaometatra miala amin’ ny tranonao no misy anao, ary irery ianao.”

Ny ampahany iray tao aminy dia nilaza hoe: “Mijoroa hatrany ry Loholona. Nanana ray tsara izay azonao ireharehana ianao, patriarka iray lehibe izay nampianatra anao nyfilazantsara tamin’ ny zavatra rehetra. Fantatrao fa ny fiainana mandrakizay dia fitsipikamarin’ ny filazantsara; ary fantatrao fa hiandry anao ny rainao. Efa nanana ny fijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsara ianao fony vao zazakely nitomany. Tsy izao no fotoana hanombohana misalasala.”

Fanamarihanaho an’ nympampianatra

Lesona

20

Page 94: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

85

“Teny antenantenan’ izany fifanoheran’ ny fisalasalana sy ny zava-misy izany, dia tonga taoan-tsaiko toy ny ako ny tenin’ ny raiko farany teny amin’ ny seranam-piaramanidina: ‘ Ryzanako lahy, ankatoavy ny lalàna rehetra dia ho sambatra ianao eo amin’ ny fiainanao. . . .’

“. . . Ny fahafatesany dia nanjary nitondra fiovana teo amin’ ny asa fitoriana nataoko. Metyho hafahafa ny filazana izany, ary raha ny faniriako dia ny mbola nahaveloman’ ny raiko;fa ny asa nanirahana ahy kosa taorian’ izany dia nanjary vavolombelona velona ny amin’ny fiainan-draiko. Tsy ela dia fantatro ny nahasarobidy ny fiaina ny ‘lalàna rehetra’ . Na ho toa inona na ho toa inona ny maha-toa kely sy bitika ilay lalàna, raha nankatò aho diasambatra.” (H. Kent Rappleye, “Obey All the Rules,” New Era, Jan.—Feb. 1979, p. 24–25).

• Nahoana isika no omena lalàna mba harahana ao an-trano, any am-pianarana, ary anyam-piangonana?

• Inona ireo fitahiana izay azonao noho ny fanapahan-kevitrao hanaraka ny lalàna?

Ny misiônera dia tsy maintsy mankatò ireo zavatra takina any amin’ ny saha fitoriana

Soratra masina Asaovy vakin’ ny zatovovavy ny Marka 16:15 sy ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 18:15.

• Araka ny hevitrao, nahoana no heverin’ ny Tompo ho zava-dehibe ny asa fitoriana?

Rehefa manomboka ny asa fitoriana ataony ny misiônera, dia omena lalàna sy fandaha-ram-potoana izy ireo, izay hanampy hahatonga ny asa lehibeny hahomby sy hamokatra.Ny misiônera dia tsy maintsy manaiky ny hankatò izany mba hahafahany manompo nyTompo sy hananany ny Fanahy Masina hitari-dalana azy ireo. Ny fandaharam-potoanan’ny ankabetsahan’ ny misiônera isan’ andro dia ahitana izao manaraka izao:

Asehoy ilay peta-drindrina na tabilao.

Miankina amin’ ny misiona sy ny kolontsain’ ny olona; ny misiônera dia tokony hanara-ka ireto fanampin-dalàna ireto:

1. Ny misiônera dia asaina manoratra any amin’ ny ray aman-dreniny indray mandehaisan- kerinandro.

2. Ny misiônera dia tsy tokony hiantso ny fianakaviany na ny namany raha tsy efa nahazo lalana avy amin’ ny filohan’ ny misiona.

3. Ny misiônera dia manome tatitra isan-kerinandro sy taratasy any amin’ ny filohan’ ny misionany.

4. Ny misiônera dia tsy tokony hidi-trosa. Tokony hampiasa ny volany amim-pahendrenasy amin’ ny zavatra izay mifandray amin’ ny asa nanirahana azy izy ireo.

5. Ny misiônera dia tokony tsy hijanona mihoatra ny adiny iray rehefa asaina misakafo;ary tokony hampiasainy izany fotoana izany mba hanentanana ny mpikambana amin’ny fiezahany mitory.

6. Ny misiônera lahy (vavy) dia tsy tokony hijanona irery miaraka amin’ ny vehivavy(lehilahy) iray, na hanana fifandraisana izay tsy azo atao amin’ vehivavy (lehilahy)

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

6:30 A.M. Mifoha7:00 A.M. Fotoana fianarana miaraka amin’

ny mpiara-mitory8:00 A.M. Sakafo maraina8:30 A.M. Fianarana samirery9:30 A.M. FitorianaMitatao vovonana: Sakafo antoandro1:00 P.M. Fitoriana5:00 P.M. Sakafo hariva6:00 P.M. Fitoriana9:30 P.M. Fifaranan’ ny fitoriana; manomana

ny asa10:30P.M. Matory

Peta-drindrinana tabilao

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Fanontanianahanadihadiana

Page 95: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

86

iray. Tsy tokony hampianatra mpikambana tokana lehilahy (vehivavy) ny misiôneravavy (lahy), raha tsy hoe misy olon-dehibe mpiandraikitra manatrika eo.

7. Tsy tokony hanoratra amin’ ireo olona izay mipetraka ao amin’ ny faritra anaovany asafitoriana ny misiônera.

8. Tsy tokony handeha any ivelan’ ny faritra voatondro ho azy ny misiônera, raha tsy efanahazo lalana avy any amin’ ny filohan’ ny misiona.

9. Tokony hitondra tena amim-pahamendrehana ny misiônera, ary tokony hitandro nytsy hisiana ady hevitra sy fifandirana rehefa miresaka. Ny haisoratra nahazoana lalanaavy any amin’ ny filohan’ ny misiona ihany no tokony hovakin’ izy ireo. (Jereo nyTorolalana ho an’ ny Misiônera.)

Vakio izao fanambarana manaraka nataon’ ny Loholona Gordon B. Hinckley izao: “Mafyny asa fitoriana. Mitaky zavatra betsaka izany. Sarotra izany. Tsy mora mihitsy izany, arytsy ho mora na oviana na oviana. Mitaky herim-batana, herin-tsaina, herim-panahyizany.” (Brian Kelly, “A Visit with Elder Gordon B. Hinckley about Missionary Work,”New Era, Jona 1973, p. 31).

• Araka ny hevitrao, nahoana no nomena ireo lalàna ireo ny misiônera?

• Inona no zavatra tsara azo avy amin’ ny fananana ireo lalàna ireo?

Afaka manampy ny misiônera mba hahomby ny mpikambana

Famelabelarana ataon’ ny mpampianatra

Hazavao fa fotoana fohy ihany ho ananan’ ny misiônera mba hatokana ho amin’ ny asananirahana azy. Tokony hanararaotra tanteraka ny andro tsirairay izy ireo. Efa nahafoyzavatra maro ho amin’ ny asa nanirahana azy izy ireo—vola, ny ezaky ny fianakaviany,ny taona maro niofanana sy niomanana, fotoana, ary ny tena zava-dehibe dia ny tenan’izy ireo. Amin’ ny maha-mpikambana antsika, dia afaka manorina fifandraisana madioamin’ ny misiônera isika ary manampy azy ireo mba hahazo tombon-tsoa amin’ izanyfahafoizana izany. Afaka manampy azy ireo hanandratra ny fanamby tena lehibe izayatrehiny isika; dia ny fanadinoan’ izy ireo ny tenany, sy ny filofosany ao amin’ ny asany.

Teny nindramina Ny teny nindramina manaraka dia manazava ny fahasarotan’ ny filofosan’ ireo misiôneraao amin’ ny asany.

“Isika rehetra dia tia izay mahafinaritra; nefa, ny asa mafy no fototry ny asa fitoriana. Tsy mbola niova izany hatramin’ ny andron’ ny Mpamonjy. Hoy Izy: ‘. . . na iza na iza nohahavery ny ainy noho ny amiko sy ny filazantsara, dia hamonjy izany Izy.’ (Marka 8:35).Marina tokoa izany amin’ ny asa fitoriana. Ny fanamby tena lehibe dia ny fandehananamivavaka tsy tapaka eo amin’ ny Tompo ary ny fangatahana hery sy fahaizana ary fitari-hana, ary dia mivoaka sy mandeha miasa. Ny Tompo dia nanambara hoe: ‘Koa amin’izany, raha tsara ny masonao, dia hazava avokoa ny tenanao rehetra.’ (Matio 6:22) Rahamifantoka tsara amin’ ny voninahitr’ Andriamanitra ny misiônera dia handao ny haizina,ny haizin’ ny ota, ny haizin’ ny tsy fanarahan-dalàna, ny haizin’ ny hakamoana, ny hai-zin’ ny tahotra; ary ireo zavatra ireo no mitarika ny asa fitoriana.” (Brian Kelly, “A Visitwith Elder Gordon B. Hinckley”, p. 31).

• Inona no azon’ ny zatovovavy Olomasin’ ny Andro Farany atao hanampiana ireomisiônera hanatanteraka ny andraikiny amin’ ny asan’ izy ireo ho an’ ny Tompo? Soratyeny amin’ ny solaitrabe ny soso-kevitry ny zatovovavy.

Mety hanome hevitra izay hita ato amin’ ity teny nindramina manaraka ity ny zatovova-vy. Raha toa ka tsy voalaza izany dia atolory.

“Afaka mampahafantatra ireo fianakaviana tsy mpikambana na namana amin’ ny misiô-nera isika. Tokony hitandrina koa isika mba tsy hibodo fotoan’ ny misiônera. Raha mana-sa azy ireo hisakafo any an-tranontsika isika, dia tokony hanome sakafo azy ireo hainga-na. Rehefa izany dia afaka manentana azy mba handao sy hanohy ny asany isika. Tokonytsy hieritreritra na hamela azy ireo hanampy amin’ ny fanasan-dovia isika. Tsy tokonyhanasa azy ireo hijery fahitalavitra miaraka amintsika isika. Afaka mamantatra ny lalà-nan’ ny misiona isika, ary manampy ireo misiônera mba hitandrina izany.

Fanontaniana syfanadihadianaampiasana solaitrabe

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Teny nindraminasy fanadihadiana

Page 96: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

87

“. . . Ny zatovovavy dia tsy tokony hijanona irery velively miaraka amin’ ny misiôneralehilahy na hanome vahana ny fifandraisana akaiky aminy. Ny zatovovavy dia tsy toko-ny hifanoratra na hiantso an-tarib˜ ireo misiônera ao amin’ ny faritra misy azy.

“Raha mampiseho fanajana ny misiônera sy ny antsony isika rehetra dia hanampy azyireo hampianatra ny filazantsara amin’ ny hafa.” (Ny Vehivavy Olomasin’ ny Andro Farany,Boky I, p. 144).

Hazavao fa afaka mankahery ny zatovolahy mba handeha hanao asa fitoriana koa nyzatovovavy. Hoy ny Filoha Ezra Taft Benson:

“[Ny zatovovavy] dia afaka hanana fitaomana tsara amin’ ny fanentanana ny zatovolahymba hanao asa fitoriana amin’ ny fotoana maharitra. Avelao ny zatovolahy izay fantatraomba hahalala fa miandrandra azy ireo hanatanteraka ny andraikiny ho misiônera ianao;fa tianao manokana ny hanompoan’ izy ireo any amin’ ny saha fitoriana, satria fantatraofa tian’ ny Tompo ny handehanan’ izy ireo any.

“Sorohy ny fiarahana lalim-paka amin’ ny zatovolahy mialohan’ ny fotoana hiantsoanaazy amin’ ny asa fitoriana. Raha toa ka fiarahana tsotra no misy eo aminareo, dia afakamanapa-kevitra moramora kokoa ny hanompo izy, ary koa afaka mampifantoka ny heri-ny rehetra amin’ ny asa fitoriany, fa tsy amin’ ny zazavavy namany any an-tanàna.”(Ensign, Nôv. 1986, p. 82–83).

Famaranana

Lazao ny zatovovavy fa raha tany am-panaovana asa fitoriana tany Texas ny Loholona sy ny Rahavavy Vaughn J. Featherstone, dia nitady fanampiana tamin’ ny Tompo nyRahavavy Featherstone. Sahirana be izy tany amin’ ny saham-pitoriana, hany ka tsynanam-potoana ho azy, eny fa na dia minitra vitsivitsy monja aza isan’ andro. Nivavakaizy hoe: “ ‘Mangataka aminao aho ry Ray any an-danitra mba hanampy ahy hananakofotoana ho ahy amin’ izao maha eto ahy izao’. Ary dia nilaza izy fa nisy teny mazava betonga tao an-tsainy, ohatra ny masoandro be lohataona, nilaza hoe: ‘Ry zanakovavy, tsyfotoanao izao fa fotoako’”. (Vaughn J. Featherstone, tao amin’ ny Conference Report, Okt.1978, p. 34; na Ensign, Nôv. 1978, p. 26).

Hazavao fa ny misiônera dia miasa ho an’ ny Tompo. Tsy misy na iza na iza olona mana-na zò hanodina ny sainy amin’ izany asa izany. Tokony hitondra ny misiônera amim-panajana sy amim-pitiavana isika, nefa kosa amim-pahalalam-pomba. Afaka manampyny misiônera mba hiaina amin’ izay andrasana aminy, ary hizara ny filazantsara amim-pahombiazana amin’ ny hafa.

Mozika Farano amin’ ny fampihirana ny zatovovavy ny “Appelés à servir”.

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Lesona 20

Page 97: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

88

Mianatra mizara ny filazantsara

TANJONA Ny zatovovavy tsirairay dia hahafantatra ny andraikiny mba hizara ny filazantsarasy hanana fitokiana amin’ ny fanaovana asa fitoriana.

FANOMANANA 1. Manomàna labozia iray (tsaratsara kokoa raha lehibe) sy sira kely.

2. Soraty amin’ ny tapa-taratasy ny fandehan’ ilay lalao handraisana anjara.

3. Manamboara labozia avy amin’ ny taratasy henjana mitovy amin’ izao manaraka izao,ho an’ ny zatovovavy tsirairay.

4. Manendre zatovovavy mba hanolotra ireo tantara, soratra masina, na teny nindraminaizay nofidinao.

SOSO-KEVITRA HAMELABELARANA NY LESONA Tian’ ny Tompo ny hizarantsika ny filazantsara amin’ ny hafa

Asehoy ilay labozia sy sira. (Aza arehitra ilay labozia, satria mifanohitra amin’ ny lalànan’ ny fiarovana ny fiangonana izany.)

Anontanio raha misy amin’ ireo zatovovavy afaka manazava ny fomba nampitahan’ ny Mpamonjy ireo mpikambana ao amin’ ny Fiangonana amin’ ny labozia sy sira.

Aorian’ ny fifanakalozan-kevitra fohy, dia hazavao fa i Jesoa dia nilaza fa isika no fanasin’ ny tany sy fahazavan’ izao tontolo izao.

Asaovy vakin’ ny zatovovavy iray ny Matio 5:13–16 ary ny fehezanteny roa voalohany ao amin’ ny 3 Nefia 18:24.

• Inona no fahazavana ananantsika izay tokony havelantsika hamiratra?

“[Nisy] zava-mahatalanjona nitranga tamin’ ny olombelona raha nanazava ny fiainan’ izyireo ny fahazavan’ ny filazantsara. Toa saika mandeha ho azy, araka ny filaza, ny anenta-nan’ ny fahazavan’ ny fahamarinana ny faniriana hizara. Rehefa hazavain’ ny fahalalanavaovao ny saintsika, dia tiantsika ny hahafantaran’ ny hafa izany; rehefa asandratry nyfitaomana avy any an-danitra ny fanahintsika, dia tiantsika ny hahatsapan’ ny hafa izany;ary rehefa feno hatsarana ny fiainantsika, dia tiantsika ny hiainan’ ny hafa zavatra mitovyamin’ izany, indrindra fa ireo izay tiantsika” (Carlos E. Asay, tao amin’ ny ConferenceReport, Okt. 1976, p. 58; na Ensign, Nôv. 1976, p. 41).

Soratra masina Vakio miaraka amin’ ny zatovovavy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:12.Antitrantero fa ny olona rehetra manodidina antsika dia anadahy sy rahavavintsika avokoa,zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra, izay ho nanaiky ny filazantsara raha toa katakany mazava tsara izany, saingy niala ny fahamarinana satria “tsy fantany izay toeranahitadiavana izany.” Ny andraikitsika dia ny mampiseho azy ireo.

3 Nefia 18:24Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

123:12“Raha tsy avy at˜ amiko dia

avy amin’ iza?”

Lesoni

21

Page 98: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

89

Ny zatovovavy rehetra dia afaka mianatra ny fomba fizarana ny filazantsara

Hazavao fa tokony ho afaka manolotra ny filazantsara amin’ ny fomba tsara isika miara-ka amin’ ny fanampian’ ny Fanahin’ ny Tompo, mba hahafahana mampahafantatra nyolona ny hafaliana izay azon’ izany entina eo amin’ izy ireo.

• Inona ireo zavatra izay matetika manakana antsika rehefa miezaka mizara ny filazan-tsara amin’ ny hafa isika? (Soraty eny amin’ ny solaitrabe ny valin-teny. Mety ho tafiditraizao manaraka izao.)

1. Ny tahotra fa mety hahatezitra olona isika, na mety tsy ho tia antsika ny olona

2. Tsy fahampian’ ny fahaizana na traikefa

3. Tsy fahampian’ ny fahalalana momba ny filazantsara

• Araka ny hevitrao, ahoana no fomba handresena ireo zavatra ireo? (Soraty eny amin’ny solaitrabe ny valin-teny. Ireto misy soso-kevitra mahasoa.)

1. Mivavaka ary mangataka amin’ ny Tompo mba hanampy anao handresy ny tahotra, aryhitahy anao amin’ ny fitarihan’ ny Fanahiny. Raha tsotra sy be fitiavana ianao dia maha-lana ny hanafintohina ny olona. Rehefa misahirana kokoa ny amin’ ny famonjena nynamanao ianao noho ny amin’ ny fihetseham-ponao manokana, dia hihena ny tahotrao.

2. Mifankahalala amin’ ny olona maro samihafa. Manolora fanontaniana momba azy ireo, fantaro ireo zavatra izay mahaliana azy. Rehefa manjary mifankazatra amin’ izyireo ianao, dia afaka manazava amin’ izy ireo ny fomba hanampian’ ny filazantsara azy amin’ izay ilainy sy izay olany. Lazao amim-pifaliana lehibe izay zavatra vitan’ ny filazantsara taminao.

Amin’ ny ankapobeny dia tsy maintsy mampiseho fitiava-namana vokatry ny fo amin’ny hafa isika alohan’ ny hiezahantsika mampianatra azy ireo. Hoy ny Filoha Spencer W.Kimball: “Mazàna dia tsy maintsy manomana ny mpifanolo-bodirindrina amintsika isikaalohan’ ny hahafahantsika mampiomana azy ireo marina. Tsy maintsy mahatsapa ny fitia-va-namana ananantsika sy ny fandraisantsika marina ny mpifanolo-bodirindrina amin-tsika.” (“Report of the Regional Representatives seminary”, Ensign, Nôv. 1976, p. 140).

3. Mianatra ny filazantsara mba hahafahanao ho vonona ny hamaly ireo fanontaniana amim-pahombiazana rehefa tonga ny fotoana (jereo Fotopampianarana sy Fanekempihavanana11:21). Ataovy fantatra tsara ny tantaran’ ny famerenana amin’ ny laoniny ny filazantsaratamin’ ny alalan’ i Joseph Smith sy ny niavian’ ny Bokin’ i Môrmôna. Mivonòna hijoro hovavolombelona fa ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy dia naverina tamin’ ny laoniny tamin’ nyfahadiovany, araka izay aseho ao amin’ ity tantara manaraka ity.

Tantara “Nisy mpitandrina Protestanta iray . . . nanontany ny iray tamin’ ireo misiônerantsikahoe: ‘Nahoana no mitory amin’ ny oloko ianareo? Kristianina mahafatra-po tsara daholoizy ireo’. . . . Dia toy izao ny valin-teny: ‘Raha tena nahafantatra marina ianao tompoko fa Andriamanitra Ray sy ny Zanany Jesoa Kristy dia niseho ary niteny indray amin’ izaofotoan’ ny tantaran’ izao tontolo izao izao, namerina tamin’ ny laoniny ireo fahamarinanalehibe, ary koa namerina tamin’ ny laoniny ny fahefana marin’ ny fisoronana tamin’ nyolombelona; dia ho vitanao ve ny hangina?’” (Robert L. Simpson, tao amin’ nyConference Report, Okt. 1974, p. 63; na Ensign, Nôv. 1974, p. 46).

Famelabelarana ataon’ ny mpampianatra

Hazavao fa zava-dehibe ny tsy mandresy lahatra rehefa miresaka momba ny filazantsara.Tsy tokony hiala tsiny noho ny didin’ Andriamanitra isika. Nomen’ Andriamanitr’ izaotontolo izao izany mba ho tombon-tsoan’ ny olombelona.

Tantara Lazao ity tantara manaraka momba ny fomba nahafahan’ i Lorenzo Snow, izay lasaFiloha fahadimin’ ny Fiangonana, nizara ny filazantsara tamin’ ny olona marobe ity.

Tamin’ ny taona 1850, dia nalefan’ i Brigham Young mba hanomboka ny asa fitorianatany Italia ny Loholona Lorenzo Snow sy ny mpiara-mitory anankiroa. Niasa nandritrany volana maro izy ireo, nefa dia tsy afaka nizara akory ny filazantsara tamin’ ireovahoaka Italiana. Ary dia izao no nosoratan’ ny Loholona Snow: “nampiseho ny herinyavy amin’ ny alalanay ny Tompo.” Narary mafy Ilay zanakalahy telo taona tao amin’ ilayfianakaviana izay nipetrahan’ ireo misiônera, ary toa ny efa ho faty. Hitan’ ny LoholonaSnow sy ny namany ilay zazalahy, ary nahatsapa izy ireo fa ity no fotoana ampisehoanaan’ ireo vahoaka Italiana ny hery lehibe sy ny fitiavan’ ny Tompo.

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Fanadihadianaampiasanasolaitrabe

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Page 99: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

90

Nanomboka nifady hanina ny Loholona Snow sy ny namany mpiara-mitory, ary dia nan-deha tany an-tendrombohitra mba hahafahan’ izy ireo mitokana sy mivavaka. Izao nonosoratan’ ny Loholona Snow: “Tany dia nitalaho ny Tompo tamin’ ny vavaka mafy iza-hay mba hitsimbina ny ain’ ilay zaza. Rehefa nandinika ny zavatra nokasainay hotantera-hana aho sy ny filazana izay harosonay tsy ho ela eo amin’ izao tontolo izao; dia nataokoho toy ny zava-dehibe iray ity fisehoan-javatra ity. Tsy haiko izay fahafoizan-tena azokoatao ka tsy ho sitrako ny hanolotra azy mba hamahan’ ny Tompo ny fangatahanay.Niverina izahay tamin’ ny telo ora tolakandro teo ho eo, ary rehefa avy nanamasina diloi-lo, dia nosorako ny tanako, ary napetrako teo ambony lohany; raha nanolotra manginaizay fanirian’ ny fonay izahay mba hahasitrana azy. . . .

“Hatramin’ izany ora izany dia nanomboka nihatsara izy, ary tamin’ ny fo feno fisaoranany Ray any an-danitra, dia faly aho milaza fa afaka andro vitsivitsy dia nandao ny fan-driany izy ary namonjy ireo ankizy madinika namany” (Lorenzo Snow, “Organization of the Church in Italy”, Millenial Star, 15 Des. 1850, p. 370–71).

Vokatr’ izany fanehoana ny herin’ ny fisoronana izany, dia fon’ olona maro no nihanale-faka; ary nisokatra tampoka ho an’ ny misiônera ny varavarana. Olona maro no nihainony hafatry ny filazantsara, ka nilatsaka ho mpikambana ao amin’ ny Fiangonana.

• Inona no nataon’ i Lorenzo Snow mba hanalefahana ny fon’ ireo olona izay niezahanyhampianarina?

• Inona no azonao nianarana avy amin’ ny Loholona Snow momba ny toetra izay tokonyhanananao rehefa mizara ny filazantsara?

Lalao an-tsehatra Ireto misy ohatra ho antsika mba hahafahana mizara ny filazantsara. Zarao tsiroaroa nyzatovovavy, ary mandraisa mihitsy anjara raha ilaina. Vakio ny toe-javatra tsirairay aryasaovy lalaovin’ ny zatovovavy anankiroa. Aorian’ ny lalao an-tsehatra tsirairay, diamangataha soso-kevitra hafa avy amin’ ny mpianatra momba izay fomba handraisanaan-tanana izany karazana fahafahana mitory izany.

1. Nanontanian’ ny namana tsy mpikambana iray ianao hoe: “Mino an’ i Jesoa Kristy veny Môrmôna?”

2. Ny mpitsidika iray izay vao nifankahalala taminao dia te hahalala hoe: “Nahoana iana-reo no antsoina hoe Môrmôna?”

3. Ny namana mangatsiatsiaka iray dia te hahafantatra ny antony tsy ifohanao sigara natsy isotroanao zava-pisotro misy alikaola.

4. Nanontanian’ ny olona iray izay vao nifankahalala taminao vao haingana ianao hoe:“Inona no mahasamihafa ny Fiangonanareo amin’ ny fiangonana hafa?”

5. Mipetraka eo akaikin’ ny olona iray ao anaty fiara fitaterana na fiaramanidina ianao.Inona no ataonao mba hahaliana azy amin’ ny Fiangonana?

Avelao ireo mpianatra mba hizara ireo zava-niainany manokana tamin’ ny fizaranany filazantsara. Zarao ny zava-niainanao manokana.

Famaranana

Antitrantero fa matetika dia manana fotoana tsara ahafahana mizara ny filazantsaraamin’ ny namantsika isika noho ny olona hafa.

Tokony hanontany tena isika hoe: “Raha tsy mizara ny filazantsara amin’ ny namakoaho, dia aiza, rahoviana, ary avy amin’ iza no handrenesany izany?”

Azonao atao, raha tianao, ny mamarana amin’ ny alalan’ ny fijoroanao ho vavolombelona.

Taratasy hozaraina Omeo labozia taratasy ny zatovovavy tsirairay mba hampatsiahy azy ny andraikitramaha-misiônera azy.

Fijoroana hovavolombelona

Page 100: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

91

Fampiasana haroso

1. Manasà misiônera amin’ ny fotoana maharitra ho tonga ao an-dakilasy mba hanazavany fomba ahafahan’ ny zatovovavy manampy azy ireo. Ataovy azo antoka tsara fanahazo lalana avy any amin’ ny filohan’ ny misionany izy ireo mba ho tonga ao.

2. Manapaha hevitra ao an-dakilasy amin’ ireo zavatra izay azonao atao mba hanampianaireo mpikambana mangatsiatsiaka ao amin’ ny kilasy misy anao.

3. Ao an-dakilasy, soraty ireo fanontaniana izay matetika omen’ ny tsy mpikambana, aryasaovy manoratra izay valiny marina ny zatovovavy tsirairay avy, ka hizara izanyamin’ ny fotoam-pampianarana manaraka.

4. Manomàna fiaraha-mientana, ary manasà zatovovavy maro tsy mpikambana.

5. Manasà olona maro izay afaka hiresadresaka ny fiovam-pony tamin’ ny Fiangonana hoao an-dakilasy. Azony atao, raha tiany, ny manome torohevitra momba ny fomba fana-tonana tsy mpikambana.

Lesoni 21

Page 101: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3
Page 102: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

Fivoarana ara-panahy

Page 103: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

94

Fomba fijery mandrakizay

TANJONA Ny zatovovavy tsirairay dia hahafantatra ny fomba fijery mandrakizay ny fiainana, aryho vonona bebe kokoa mba hiatrika ireo fitsapan’ ny fiainana an-tany.

FANOMANANA 1. Soraty na tendreo amin’ ny masinina eo amin’ ny karatra ny tsirairay amin’ iretosoratra masina roa manaraka ireto. Ireo teny ireo ihany ampiasaina, ary aza soratana ao amin’ ilay karatra ny toko sy andininy.

“Mandra-pahoviana no ho mamo ianao? Esory aminao ny divainao.”

“Aza manery ahy handao anao sy hiala amin’ ny fanarahana anao; fa izay alehanao no halehako; ary izay itoeranao no hitoerako; ny olonao no ho oloko, ary nyAndriamanitrao no ho Andriamanitro.”

2. Ataovy fantatra tsara ny 1 Samoela toko 1, sy ny tantaran’ i Rota izay hita ao amin’ ny bokin’ i Rota.

3. Manendre zatovovavy mba hanolotra ireo tantara, soratra masina, na teny nindraminaizay nofidinao.

SOSO-KEVITRA HAMELABELARANA NY LESONA Fampidirana

Omeo ny iray amin’ ireo zatovovavy ny karatra voalohany (ity andininy ity dia hita ao amin’ ny 1 Samoela 1:14). Asaovy vakiny mafy izany.

Anontanio raha misy afaka mamaly ireto fanontaniana manaraka ireto:

• Inona no tsapanao voalohany momba io andalana io?

• Iza no miteny?

• Iza no iresahany?

• Inona no nitranga tamin’ izany fotoana izany?

Hazavao amin’ ny zatovovavy fa ity soratra masina ity dia miresaka momba an’ i Hana,renin’ ny mpaminany Samoela. Namboraka ny tao am-pony tamin’ ny Tompo tao amin’ny tempoly izy satria tsy afaka ny hanan-janaka. Noheverin’ i Ely, ilay mpisorona avo fa mamo izy. Rehefa fantatr’ i Ely hoe iza izy, dia nampanantena azy izy fa hihaino nyvavaka nataony Andriamanitra.

Ahoana ny fiovan’ ny fahatsapanao momba io andininy io rehefa fantatrao izay zava-niseho?

Asaovy vakin’ ny zatovovavy iray hafa ny karatra faharoa (ity andininy ity dia hita aoamin’ ny Rota 1:16). Manomeza fanontaniana mitovy amin’ ireo izay nampiasaina tamin’ilay ohatra voalohany. Tokony ho fantatry ny mpianatra sasan-tsasany ny valin’ ireofanontaniana ireo, satria be mpahafantatra io andininy io. Antitrantero fa rehefa fantatr’izy ireo izay zava-miseho aloha sy aorian’ ilay andininy ao amin’ ilay tantara, dia afakamahatakatra bebe kokoa izy ireo.

Ny fomba fijery mandrakizay dia manampy antsika hahita ny zavatra araka ny tenamisy, nisy ary hisy marina

Fanadihadiana • Inona no atao hoe fomba fijery? (Ny fahafahana mahita zavatra araka ny fifandraisanymarina.)

Famakafakanasoratra masina

Fanontanianahadihadiana

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Famakafakanasoratra masina

Lesona

22

Page 104: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

95

Hazavao ohatra fa ny fomba fijery marina dia mamela anao hahatsapa fa ny tsato-byamin’ ny telefaona iray izay lavitra dia mitovy habe amin’ ny akaiky iray izay ohatra nylehibe kokoa. Raha jerena lavitra ny tendrombohitra dia toy ny rakotry ny hazo tantera-ka, kanefa, ny olona izay manana fomba fijery marina dia mahafantatra fa raha ny tenamarina, dia misy toerana banga manelanelana ireo hazo.

Tantara Lazao izao tantara manaraka izao:

Nandray anjara tamin’ ny fanazaran-tena tany an’ efitra ny zatovovavy iray. Nandritrailay fanazaran-tena, dia tafasaraka tamin’ ny hafa izy ary dia very. Ohatra ny nahatsapaizy fa any amin’ ny kilaometatra maro lavitra azy ny hafa. Nanohy nandeha izy mandra-pahamaizina ka tsy ahafahana manohy intsony.

Tamin’ ny farany dia tapa-kevitra izy fa ny zavatra tena tsara azo atao dia ny miandrymandra-paharainan’ ny andro, ary ny manantena fa hahita azy ny hafa ny ampitso.Rehefa nandrakotra azy ny haizina, dia nivavaka tamin’ ny fony manontolo izy. Tsynahita tory izy ny alina, ary nony mangiran-dratsy ny andro, dia hitany fa nandany nyalina iray manontolo tao anaty hantsana izy. Nananika ny vato izy. Tamin’ ny alalan’izany fomba fijery vaovao izany no nahafahany nahita ny hafa nilasy teo an-tendron’ ilay vato, teo amin’ ny antsasaka kilaometatra teo ho eo miala eo aminy.

• Inona no lazain’ ity tantara ity momba ny fomba fijery? (Rehefa manana fomba fijerymarina isika, dia afaka mahafantatra izay misy antsika sy izay fomba ahafahantsika mandeha any amin’ ny lalan-kalehantsika.)

• Inona no atao hoe fomba fijery mandrakizay?

Avelao ny zatovovavy mba hamaly io fanontaniana io. Rehefa izany dia asaovy vakin’izy ireo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:24.

• Nahoana ny fahafantarana ny fahamarinana no manatsara ny fomba fijerintsika?

Mba hanazavana izany hevitra izany dia farito eny amin’ ny solaitrabe izao sary tsotsotramanaraka izao

Asaovy vakin’ ny zatovovavy ny Isaia 55:8–9 sy Jakoba 4:13.

Hazavao fa rehefa mahazo fahalalana momba ny fahamarinana isika dia ho lasa tahakany an’ Andriamanitra bebe kokoa ny fomba fijerintsika. Manjary manana toetra mandra-kizay izany.

Asaovy mamaky izao teny nindramina avy amin’ i Joseph Smith manaraka izao ny irayamin’ ireo zatovovavy:

“Arakaraka ny hanakaikezan’ ny olombelona bebe kokoa ny fahatanterahana no hanaza-vana bebe kokoa ny fahitany, ary hahalehibe kokoa ny hafaliany, mandra-pandresiny nyfaharatsiana eo amin’ ny fiainany sy hanariany ny faniriana hanota rehetra.” (Teachings of the Prophet Joseph Smith, nofantenan’ i Joseph Fielding Smith [Salt Lake City: DeseretBook Co., 1938], p. 51).

• Inona no manampy antsika hahita zavatra araka ny tena misy marina?

Hoy ny Loholona LeGrand Richard: “Hotahin’ Andriamanitra anie ianao mba hahafanta-tra izay niavianao sy ireo tombon-tsoa lehibe izay anao. Raha toa ka hahorina ny voaly,ary afaka mahita indray mipi-maso fotsiny ny drafitra mandrakizay lehibe an’

Sary tsotsotra enyamin’ ny solaitrabeTeny nindramina syfanadihadiana

Ny fomba fijerin’ Andriamanitra

Ny fomba fijerin’olombelona

Ny lasa (fiainana talohan’ ny fiainana

an-tany)

Ny ankehitriny (ny fiainana eto an-tany)

Ny hoavy (fiainana aorian’ ny fahafatesana)

Sary tsotsotraeny amin’ nysolaitrabe

Famakafakanasoratra masina

Page 105: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

96

Andriamanitra momba anao ianao, sy ny maha-izy anao, dia tsy ho sarotra aminao nyho tia Azy sy hitandrina ny didiny, ary ny hiaina mba ho mendrika ireo fitahiana rehetraizay nananany ho anao nanomboka tany alohan’ ny fametrahana ny fanorenana izao tontolo izao.” (“Patriarchal Blessings”, New Era, Feb. 1977, p. 7).

• Ahoana no ahafahan’ ny fomba fijery mandrakizay manampy anao hiatrika ireo olanaizay tonga eo amin’ ny fiainanao?

• Ahoana no ahafahan’ ny tsodranon’ ny patriarka ho anao manampy fomba fijery eo amin’ ny fiainanao?

Ny fomba fijery mandrakizay dia manampy antsika hanana toe-tsaina tsy mora kivymanoloana ny fitsapana

Hazavao fa ny fomba fijery mandrakizay dia afaka manampy antsika hiatrika ireo fitsapana antsika miaraka amin’ ny toe-tsaina tsy mora kivy sy amin’ ny finoana.

Tantara Tantarao izao zava-marina nitranga manaraka izao:

Niverina avy any amin’ ny dokotera niaraka tamin’ ny vaovao mampalahelo i Jill.Fantatra fa nisy fivontosana niforona ao amin’ ny hazon-damosiny (méningite cérébro-spinale), ilay karazany tsy dia fahita firy, ary matetika mahafaty. Enim-bolana sisa nonomena hivelomany. Nangirifiry taminy ny fieritreretana ny fandaozany ny vadiny syireo zanany telo kely.

Tsindraindray ihany vao mihetsika ilay fanaintainana izay mampijaly azy amin’ ity aretina ity, saingy mafy be hatrany. Nandritra ny iray tamin’ ny fitrangana fanaintainanamahatsiravina, dia nahatsiaro gaga izy fa ny zavatra iray tena sarotra, nefa zava-dehibetokoa, tokony hataony tamin’ izany fotoana izany dia ny mitsiky tsotra fotsiny. Fantanyfa na inona na inona hitranga dia mbola hanana ny fianakaviany izy aorian’ ity fiainanaity; noho izany dia tiany ny hitahiry ny fanahy tsara amin’ ny fifandraisan’ izy ireo.

Io fiovan’ ny toe-tsaina io tat˜ aoriana dia nanjary loharanon-kery tsy ho azy irery ihanyfa koa ho an’ ireo olon-tiany. Nanjary nionona tsikelikely i Jill tamin’ ny alalan’ ny zava-misy fa raha afaka miharitra ny fanaintainana sy ny fijaliana izy, dia afaka mahazo tom-bon-tsoa avy amin’ ny fomba fihetsiny izy sy ireo manodidina azy, ary ho moramorakokoa ny hiatrika ireo volana ho avy.

Fanadihadiana • Ahoana no fomba nanampian’ ny fomba fijery mandrakizain’ i Jill sy ireo manodidinaazy hiatrika ity fitsapana ity?

• Araka ny hevitrao, tamin’ ny fomba ahoana no nitondran’ ny fomba fijeriny mandraki-zay akony teo amin’ ny fihetsiny?

Angataho ny zatovovavy mba hizara ohatra avy amin’ ny fiainany na avy amin’ ny fiai-nan’ ny namany mba hampisehoana ny fomba hanampian’ ny fomba fijery mandrakizayantsika hiatrika fitsapana miaraka amin’ ny finoana.

Lazao ireto tantara roa manaraka ireto izay mikasika ny fomba nihazonan’ ireo mpikam-bana taloha tao amin’ ny Fiangonana ny fomba fijery mandrakizay teny anivon’ ny fifa-noherana lehibe.

Tantara Tamin’ ny volana Marsa 1832, ny Mpaminany Joseph Smith dia notaritaritin’ ny jiolahytsy mifaditra ovana hiala ao an-tranony tamin’ ny manaton’ alina. Novelesina , nokendai-na, ary nasian’ ireo mpampijaly godirao sy volom-borona izy. Rehefa izany dia navelan’izy ireo teo amin’ ny tany mangatsiaka izy.

Rehefa kelikely dia afaka niarina izy ary tody soa aman-tsara tany an-tranony. Nandanyny alina nanala ny godirao teo aminy ny namany.

Alahady ny ampitson’ io. Niakanjo ny Mpaminany ary nandeha namonjy ny fivorianaSabata izay nitoriany teny tamin’ ny mpiangona. Anisan’ ny olona tao amin’ ilay fivoria-na ny sasany tamin’ ireo jiolahy tamin’ ny alina. Ny tolak’ andron’ io dia olona telo nonatao batisa. (Jereo History of the Church, 1: 261–64).

Tantara Nilaza izao tantara manaraka izao i Charles Pulsipher, izay avy amin’ ny zava-niainanynandritra ireo taona taloha tany Salt Lake Valley:

“Nahavokatra katsaka betsaka izahay tamin’ ny taona [1849]. . . . Nanome masomboly hoanay ho an’ ny taona manaraka izany. Tamin’ ny taona izay saika nandripahan’ ny valala ny

Fanontanianahosaintsainina

Page 106: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

97

volinay anefa sy tsy nanananay amby ampy, dia saiky lany tanteraka ny lafarinanay.Betsaka ihany koa ireo lany vatsy. Lafarina teo amin’ ny iray litatra teo ho eo fotsiny nonanananay.

“Tonga tao aminay ny iray tamin’ ireo mpifanolo-bodirindrina aminay, ary nanontanyraha afaka mampindrana azy lafarina ampy hanamboarana mofomamy ho an’ ny vadinyizay marary, sady tsy nihinana na inona na inona efa andro maro izahay. Ka dia nanonta-niako ny habetsaky ny lafarina anananay. Ny valin-teny dia hoe: ‘Eo amin’ ny iray litatraeo ho eo, fa hozaraintsika amin’ ity lehilahy ity izany, ary mbola hanana ny ampy hoamin’ ny sakafo maraina isika .’ Dia nomenay azy ny antsasak’ ilay lafarina. Noraisinyizany ary hoy izy: ‘Hitahy anareo anie ny Tompo ka tsy hanan-java-mahory ianareo.’

“Ny ampitso maraina, raha nandeha naka ilay lafarina izahay, dia indro mbola nisy lafari-na iray litatra tao anaty vata fitahirizana. Izany fisehoan-javatra izany dia niseho isan’andro nandritra ny herinandro na nihoatra aza, mandra-pahazoanay lasakan-dafarina irayhafa. Dia tsy nanan-java-mahory tokoa izahay.” (Notantaraina tao amin’ ny RichardCottam Shipp, Champion of Light [Orem: Randall Book, 1983], p. 82).

Fanadihadiana • Araka ny hevitrao, ahoana no fomba nanampian’ ny fomba fijery mandrakizay an’ i Joseph Smith sy Charles Pulsipher teo amin’ ireo toe-javatra ireo?

• Inona no azonao ianarana avy amin’ ireo tantara ireo momba ny fihazonana fomba fijery mandrakizay eo amin’ ny fiainanao?

Famaranana

Hazavao fa raha manatsara ny fomba fijery mandrakizay isika dia hanana toe-tsaina tsymora kivy. Hahita hafaliana sy fiadanana bebe kokoa isika eo amin’ ny fiainana, ary hoafaka hahazo hery avy amin’ ny ohatra asehontsika ny hafa.

Mijoroa ho vavolombelona mikasika ny fomba nanampian’ ny fomba fijery mandrakizayanao teo amin’ ny fiainanao amin’ ireo zatovovavy.

Fampiasana haroso

Asaovy manomana lisitra misy ireo zavatra izay azon’ izy ireo atao dieny izao mba hana-nana fomba fijery tsaratsara kokoa ny fiainana ny mpianatra. Mety ho ao amin’ izany ny:mikatsaka fijoroana ho vavolombelona ny amin’ ny fahamarinan’ ny Fiangonana tantera-ka, ny mandray fahalalana bebe kokoa momba ny asa nanirahana ny Mpamonjy sy nysorompanavotana, ny miomana sy mandray ny tsodranon’ ny patriarka, ary ny mandresyny fahalemena toy ny fanemorana na ny hatezerana.

Fijoroana hovavolombelona

Lesoni 22

Page 107: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

98

Ny fandresena ny fifanoherana

TANJONA Hianatra ny fomba hanekena sy handresena ny fifanoherana, ny alahelo ary ny fahadisoam-panantenana ny zatovovavy tsirairay.

FANOMANANA 1. Vatsio taratasy sy pensilihazo ny mpianatra.

2. Soraty eny amin’ ny solaitrabe alohan’ ny fampianarana ireo toko sy andinin-tsoratramasina ao amin’ ny fizarana faharoa amin’ ny lesona, raha azo atao.

3. Manendre zatovovavy hanolotra ireo tantara, soratra masina, na teny nindramina nofidinao.

SOSO-KEVITRA HAMELABELARANA NY LESONA Fampidirana

Asaovy atolotry ny mpianatra vitsivitsy ireto tantara manaraka ireto:

1. Nila vatsim-pianarana i Toni mba handehanana any an-tsekoly. Efa tsara ny laharany,saingy ankehitriny dia ny laharana voalohany no ilaina mba hahazoany vatsim-piana-rana. Nianatra mafy i Toni nandritra ny taona ary vonona.

Nandritra ny herinandro nanaovana ny fanadinana farany, dia narary vokatry nyhatsiaka izy. Niketriketrika ny lohany, navaivay ny masony. Nanao ny fitsapam-pahai-zana izy, saingy noho ny aretina nahazo azy, dia nihena ny fahafahany mieritreritra.

Vokatr’ izany, dia votsotra ny vatsim-pianarana. “Nahoana no ho izaho?” hoy ny eri-treriny. “Nahoana no nitranga tamiko io?”

2. Vao folo taona i Michelle raha nodimandry ny reniny. Lehilahy tsara ny rainy kanefatsy afaka nitazona niaraka ny ankohonany. Napetraka tamina tokantrano afaka nan-dray azy izy, izay toy ny mpiasa an-trano no nitondrana azy, fa tsy tahaka ny olona aoamin’ ny ankohonana. Nikomy izy ary napetraka tao amina tokantrano iray izay tiany,kanjo noho ny toe-pahasalaman’ ilay renim- pianakaviana niharatsy, dia voatery nialaizy.

Mandra-pahatongany fito ambin’ ny folo taona, dia tokantrano telo no efa niandraikitraazy. Indray andro, dia hoy izy tamin’ ny mpanolontsain’ ny sekoly iray: “Tsy misyolona nanana fiainana mafy toy ny nodiaviko. Tsy mbola nanana toerana azoko nan-tsoina hoe tokantrano aho.”

3. Vao teraka i Janice dia nisy “arthrite”. Raha niana-nandeha ny ankizy hafa, izy kosanifono fitaovana natao ho an’ izany ny tongony roa. Raha nanomboka nandeha niana-tra ny ankizy hafa, dia tany amin’ ny hôpitaly i Janice nodidina fanintsiviny. Rahananomboka niaraka tamin’ ny olona ny zatovovavy hafa, i Janice kosa tamin’ izay dianiharatsy bika sy nitondra seza misy kodiarana ary natao ny fandidiana faharaikaamby roapolony.

Niady mafy sy niaritra izy mba hahavita ny fampiasana tany am-pianarana, kanefamaro ny fotoam-pahakiviana. Hoy izy tamin-dreniny: “Indraindray dia manontanytena ny amin’ ny antony nitrangan’ izany rehetra izany amiko irery aho.”

4. Zatovovavy mahira-tsaina i Brenda ary nanana namana betsaka, tanora lahy sy vavy,nefa tsy mba nanana olona niaraka taminy izy. Voafidy ho mpiandrikitra ny kilasiny izytamin’ ny taom- pianarana famaranana. Amin’ ny maha-mpiandraikitra azy, dia voaterynanatrika ny fivoahan’ ireo mamarana taom-pianarana izy. Rehefa nigadona ilayfotoam-pamoahana, dia tsy nanana olona niaraka taminy izy. Nahatsiaro menatra izy.

Lesona

23

Page 108: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

99

“Tsy misy zavatra hafa mankararirary azoko eritreretina mihoatra izany,” hoy izy nitomany. “Tsy misy zavatra toy izany mitranga amin’ ny olona afa-tsy amiko!”

(Ny niafaran’ ireo tantara ireo dia homena ao anatin’ ny lesona any aoriana kely.)

Fanadihadiana • Inona no iraisan’ ny tsirairay amin’ ireo zatovovavy ireo? (Niatrika zava-tsarotra tsyfantatra antony izy ireo.)

Zarao ny taratasy sy ny pensilihazo. Iangavio ny zatovovavy tsirairay hanoratra adin-tsaina, fifanoherana, na olana izay atrehiny amin’ izao fotoana izao. Hazavao fa tsy hisyhahita ny taratasiny. Ho an’ ny tombon-tsoany ihany ilay taratasy.

Ilaina ny fifanoherana sy ny alahelo mba hanome antsika traikefa

Hazavao fa zavatra maro eo amin’ ny fiainana no manana ny mifanohitra aminy.Iangavio ny zatovovavy hilaza vitsivitsy amin’ izy ireny. Antitrantero fa eo anilan’ nyzavatra mifanohitra amin’ ny lafim-piainana ara-nofo, dia manana ny mifanohitra aminyny toe-pontsika, toy ny fitiavana sy ny fankahalana, hafaliana sy fialonana, fahasambara-na sy alahelo. Tsy fifandrifian-javatrra fotsiny izy io. Ao anatin’ ny drafitry ny Raintsikaany an-danitra ny ananan’ ny zavatra rehetra ny mifanohitra aminy.

Solaitrabe Soraty eny amin’ ny solaitrabe ny hoe: Nahoana no misy fifanoherana eo amin’ ny zavatrarehetra? Aza asaina valin’ ny zatovovavy izany amin’ izao fotoana izao.

Soraty eo ambanin’ ny fanontaniana ny Fotompampianarana sy Fanekempihavanana 122:7.Hazavao fa nomena an’ i Joseph Smith tany am-pigadrana tao amin’ ny Fonjan’ i Libertyio fizarana ao amin’ ny Fotompampianarana sy Fanekempihavanana io. Vakio miarakaamin’ ny zatovovavy io andininy io.

Soraty eny amin’ ny solaitrabe ireto toko sy andininy manaraka ireto ary asaovy vakina.Fakafakao ny fomba anampian’ ny tsirairay amin’ izany ny fahatakakarantsika ny fifanoherana.

Fotompampianarana sy Fanekempihavanana 24:28Fotompampianarana sy Fanekempihavanana 29:39Fotompampianarana sy Fanekempihavanana 58:2–4Fotompampianarana sy Fanekempihavanana 136:31

Famintinana Hazavao amin’ ny zatovovavy fa ilaina mba hampandroso antsika ny fifanoherana sy nyalahelo. Tsy tokony hatahotra ny handia zavatra toy izany isika na ho kivy amin’ izany.Ny fitomoerana akaikin’ ny Raintsika any an-danitra no hahazoantsika hery handresenaireo fahoriana ireo, ary dia hatokana ho tombon-tsoantsika izany.

Afaka mandresy alahelo sy fahadisoam-panantenana ny zatovovavy tsirairay

Solaitrabe Hazavao fa nilazalaza ny fomba roa ambin’ ny folo ahafahantsika mandresy alahelo,fahadisoam-panantenana ary fahakiviana ny Filoha Ezra Taft Benson (jereo ConferenceReport, Okt. 1974, p.90–94; na Ensign, Nôv. 1974, p.65–67). Soraty eny amin’ ny solaitrabeny teny fanalahidy tsirairay ary fakafakao izany, amin’ ny fampiasana ireo teny nindra-mina omena eo ambany, arakaraka ny ilana izany. (Avy amin’ ny lahatenin’ ny FilohaBenson avokoa ny teny nindramina). Entano ny zatovovavy handray naoty. Hazavao famety ho iray na roa amin’ ireo vahaolana ireo ihany no ilaina amin’ ny olana maro.

1. Fibebahana: “Mahatonga tsy firindrana amin’ Andriamanitra sy manakivy ny fanahyny ota. . . .Ny lalàna tsirairay nohajaina dia mitondra fitahiana manokana. Ny lalànatsirairay nodikaina dia mitondra fahasimbana manokana. Ireo izay vesarana hadisoam-panantenana dia tokony hanatona ny Tompo, mba hanalefaka ny ziogany sy hanamai-vana ny enta-mavesany.”

2. Vavaka: “Ny vavaka amin’ ny fotoana ilana izany dia fahasoavana lehibe. Amin’ ny fise-drana tsotra ny Getsemane-ntsika, dia afaka mampifandray antsika amin’ Andriamanitrany vavaka, ilay tena loharano lehiben’ ny fankaherezana sy torohevitra.”

3. Fanompoana: “Ny firotsahantsika amin’ ny fanompoana marina ny hafa dia afakamampivoatra ny fijerintsika sy manala ao an-tsaintsika ny olana mipetraka amintsikamanokana, na farafaharatsiny mametraka azy ireny amin’ ny toerana tokony hisy azy.‘Rehefa hitantsika fa somary manjombona isika,’ hoy ny Filoha Lorenzo Snow, dia

Famakafakanasoratra masina

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Fampiasanaan-tsoratra

Page 109: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

100

‘jereo ny manodidina antsika ary mitadiava olona izay ao anaty toe-javatra ratsy kokoanoho ny misy antsika; mankanesa eo aminy ary fantaro izay manjo azy, rehefa izany,dia miezaha manala izany amin’ ny fahendrena izay omen’ ny Tompo anao; ary nyzavatra voalohany ho tsapanao dia misava ny haizina, mahatsiaro maivana ianao,mitoetra ao aminao ny Fanahin’ ny Tompo, ary toa mamiratra ny zavatra rehetra.’(Conference Report, 6 Apr. 1899, p. 2–3.)

4. Asa: “Fitahiana ho antsika ny asa fa tsy ozona akory. . . . Tokony hiasa isika mba hiko-lokoloana ny filantsika ara-panahy, ara-tsaina, ara-tsosialy ary ara-nofo, ary koa ireoizay nampiandraketana antsika mba hampiana. Misy asa maro hatao ao amin’ nyFiangonan’ i Jesoa Kristy mba hampandrosoana ny fanjakan’ Andriamanitra. Ny maha-misiônera ny mpikambana tsirairay, ny tetiarana sy ny asa any amin’ ny tempoly, nytakarivan’ ny mpianakavy, ny fandraisana antso avy amin’ ny Fiangonana sy ny filofo-sana amin’ izany dia sombintsombiny ihany manoloana ireo asa takina amintsika.”

5. Fahasalamana: “Ny toetra misy ny vatana ara-nofo dia miantraika amin’ ny fanahy.Izany ny antony nanomezan’ ny Tompo ny Tenin’ ny Fahendrena ho antsika. Nilazakoa Izy fa tokony hatory aloha isika ary hifoha maraina.”

Tokony hihinana sakafo ara-pahasalamana, hiala sasatra sy hanatanja-tena, ary hanaofialan- tsasatra madio isika, mba hahazoana havitrihina sy hampisondrotana ny fanahy

6. Vakiteny: ‘Maro ny olona no nitodika tamin’ ny Bokin’ i Môrmôna tamin’ ny fotoam-pitsapana nahazo azy ary dia nihamaivamaivana, nihavelombelona ary nihanahazo hery.

“Manana sakafo manokana ho an’ ny fanahin’ ny olona ao anaty fahoriana ny salamoao amin’ ny Testamenta Taloha. . . . Ny tenin’ ny mpaminany, indrindra ny filohan’ nyFiangonana velona, dia vakiteny tena ilaina sy afaka manome fitarihana sy fankahere-zana amin’ ny ora mahory ny olona.”

7. Fitahiana: “ Amin’ ny fotoana mahory iny indrindra, na amin’ ny fandalovana fotoan-tsarotra, dia afaka mitady fitahiana eo ambanin’ ny tanan’ ny fisoronana ny olona. . . .‘Hitahy ny fanahin’ ireo izay mendrika handray izany ny fanasan’ ny Tompo(Fotompampianarana sy Fanekempihavanana 20:77, 79).”

8. Fifadiankanina: “Ny fifadiankanina matetika dia afaka manampy amin’ ny fanazavanany saina ary mankahery ny vatana sy ny fanahy. . . . Mba hanaovana fifadiankaninahitera-bokatsoa, dia tokony hampiarahana amin’ ny vavaka sy ny fandinihana izany;. . . ary ho fitahiana izany raha afaka mandinika ny soratra masina sy ny antony hifa-dian-kanina ny olona.”

9. Namana: “Tsy voavidy vola ny fiarahana amin’ ny namana tena namana izay afakamihaino anao, mizara ny hafalianao, manampy amin’ ny fitondrana ny enta-mavesatramitambaby aminao ary manoro anao ny marina.

“Tena tsara raha mety ho namana akaiky anao ny fianakavianao. Ny tena zava-dehibedia ny tokony hikatsahantsika ny ho lasa naman’ ny Raintsika any an-danitra sy nyanadahintsika Jesoa, Ilay Kristy.’

10. Mozika: “Ny mozika manentam-panahy dia mety hameno ny fanahy amin’ ny eritreri-tra ambony, manosika ny olona hanao ny tsara, na hitory fiadanana amin’ nyfanahy. . . . Nanoro hevitra ny Loholona Boyd K. Packer ny mba hitadidiana ny sasan-tsasany amin’ ireo hira manentam-panahy an’ i Ziona . . . [mba hanampy] ny vahoakahiala amin’ ny fahalemena, ny eritreritra feno fahakiviana.”

11. Fiaretana: “Misy fotoana izay tsy misy azonao atao afa-tsy ny fifikirana amin’ ny faha-marinana sy fanoherana ny devoly mandra-pialan’ ny fanahiny mampijaly anao.

“. . . Rehefa mandalo fitsapana ianao, dia azonao atao an-tsaina indray ireo fandresenaazonao taloha ary isaina ireo fitahiana izay azonao tamin’ ny fanantenana azo antoka fa hanaraka ireo tena lehibe, raha mahatoky ianao.”

12. Tanjona: “Ny zanak’ Andriamanitra tompon’ andraikitra rehetra dia tsy maintsymametraka tanjona, tanjona akaiky sy lavitra ezaka. Vetivety dia afaka manilika nyfahakiviany ny olona iray miolomay hanatontosa tanjona tsara, ary raha vao tratra ny tanjona iray, dia azo apetraka ny hafa.”

Page 110: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

101

Hazavao fa afaka manampy antsika handresy alahelo, fahadisoam-panantenana, fahakivia-na na fahaketrahana ireo hevitra ireo. Iangavio ny zatovovavy hifidy iray na mihoatra amin’ireo hevitra ireo hanampy azy handresy ny fifanoherana nosoratany tamin’ ny taratasiny.

Afaka mampitombo ny herintsika sy ny fangorahantsika ny olana mahazo antsika

Solaitrabe Soraty eny amin’ ny solaitrabe ity eritreritra nataon’ ny Loholona Hugh B. Brown manaraka ity (notantarain’ i Marvin J. Ashton, “What Shall We Do Then?” Ao amin’ ny Speeches of The Year, 1975 [Provo: Brigham Young University Press, 1975], p. 21):

“Tsy mitondra irery ny olana ireo olona manana ny maha-izy azy fa mampiasa izany.”

Ilazao ny zatovovavy fa hamarana ireo tantara nomenao tany am-piandohan’ ny lesonaianao amin’ ny filazana amin’ izy ireo izay nitranga tamin’ ireo vehivavy ireo amin’ izaofotoana izao. Raha ilaina, dia ivereno fohy ireo tantara ho fampidirana.

Tantara 1. Satria tsy nanana vola ampy hidirana hianatra tany an-tsekoly i Toni, dia nanapa-kevi-tra ny hiasa sy hanangona izy ao anatin’ ny herintaona ary hiditra an-tsekoly rehefaavy eo. Nahita asa ho mpitantsoratra tao amin’ ny sekoly miandraikitra manokana nysembana izy. Noho ny traikefa nananany, dia nanapa-kevitra izy ny ho lasa mpitsaboamin’ ny lafin’ ny fitenenana fa tsy hanao fandraharahana toy ny efa novinavinainy.Nampianatra azy fahaiza-mihaino, fananana fitiavana ary faharetana io asa io, arynanome azy koa fotoana hanompoana.

2. Nandritra ny fitsapana rehetra nahazo an’ i Michelle, dia nanakaiky hatrany nyFiangonana izy. Nifanena sy nanambady misiônera efa tafaverina izy . “Tsy fantatroloatra ny antony tsy maintsy niainako ireo zavatra vitako,” hoy izy. “Angamba mbahitsapana ny finoako ny filazantsara. Na inona na inona antony, dia fantatro fa tia nyvadiko, ny zanako ary ny tokantranoko mihoatra noho ireo vehivavy sasany hitakoaho. Feno fankasitrahana aho fa afaka nijoro.”

3. Nahazo mari-pahaizana tamin’ ny fianarana i Janice ary nahita asana mpitantsoratra.Aterin-dreniny sy alainy any am-piasana izy isan’ andro. Tsy tiany ny miankina amin’ny hafa kanefa dia nizatra niaina niaraka tamin’ ny olana izy. Hoy ny reniny mombaazy: “Nampivelatra fanahy tsara sy maharitra i Janice. Tadiavin’ ny olona ny heviny syny toroheviny rehefa manana olana izy ireo. Bitika ny olan’ izy ireo raha oharina amin’ny azy, kanefa dia falifaly izy ireo rehefa miala eo aminy ary sambatra i Janice fa mbaafaka nanampy ny hafa. Fitahiana ho an’ ny olona maro izy; efa taona maro izay no tsymba nandrenesako fitarainana avy aminy, na dia teo aza ny fanaintainana tsy tapakateo aminy”

4. Nanohy ny fianarany i Brenda, ary nanomboka niaraka tamin’ olona. Hoy izy mombany zava-nodiaviny tamin’ ny fotoana famaranana ny sekoly ambony: “Tsy nihevitramihitsy aho fa ho tafarina tamin’ iny, kanefa dia tsy naninona. Manam-bady sy manan-janaka dimy mahafatifaty aho. Tena nisy tokoa ny fahavoazana tamin’ iny zava-nodiavi-na iny, saingy nitsahatra izany. Rehefa misy olana mitranga amiko amin’ izao fotoanaizao, dia tsaroako io zava-nitranga io ary toy izao ny eritreritro: “Hitsahatra koa izany!’”

Tantara Lazao ny tantara manaraka mikasika zatovovavy iray izay, noho ny fanampian’ ny Tompo, dia naharesy fifanoherana ka lasa mpanompo mahatoky ny Tompo.

Teraka tany Angletera i Emily Ellen Swain ny taona 1852. Mpikambana tao amin’ nyFiangonana ny reniny, ary nony feno iraika ambin’ ny folo taona i Ellen dia nalefa niara-ka tamin’ ny mpikambana sasany tao amin’ ny Fiangonana hipetraka miaraka amin’ nyrahavavin-dreniny tany Utah. Nikasa ny hamonjy azy any ireo ankohonany sisa rehefaampy vola. Ela sady mafy ny dia, indrindra ho an’ ny zazavavy iraika ambin’ ny folotaona, izay namela ny reniny sy ny fianakaviany tany Angletera.

Nandehanany an-tongotra ny elanelana manontolo mamakivaky ny lemaka ho anyUtah, nitondra kitapo izay nanangonany kitozan-kena omby sy kitay hazo izy. Rovitra nykirarony, ka dia tsy nikiraro izy nandritra ny ankamaroan’ ny dia, ary tataka matetika nytongony no nandeha ra. Rovidrovitra sy naloto ny fitafiany. Sady nanirery tokoa izy nolava loatra ilay dia, hany ka nanontany tena izy raha toa ka ilaina ihany ny miezakahanohy ny dia isan’ andro vaky izao.

Indray andro, rehefa nahatsapa izy fa tsy hahavita ny hanohy intsony, dia nisy zavatranitranga taminy. Nahita omby very nitsangana teo akaikin’ ny lalamby nijery ny fiaran-

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Lesoni 23

Page 111: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

102

dalamby nandalo izy . Tsy nisy olona nijanona nijery azy na niresaka taminy. Fa nijanonakosa i Emily ary nanafosafo ny lamosina mitrakitrakin’ ilay omby sady nanome rano azy.Nanaraka azy an-tsitrapo ilay omby, satria nanirery koa izy. Falifaly i Emily fa nananabiby izay azony lazaina fa tena azy. Laniny tamin’ ny fitadiavana ahitra sy zavatra hafahohanin’ ilay biby ny ankamaroan’ ny fotoany. Nijanona teo anilany mandrakariva ilaybiby nandritra ny dia sisa, ary hitan’ i Emily fa falifaly kokoa ny tenany noho ny tamin’ny fotoana hafa tamin’ ilay dia. Variana loatra tamin’ ilay namany vaovao izy hany kaafaka nanadino tsindraindray ny tongony marary sy ny tenany trotraka, ary toa tsy lavaloatra ilay dia. Tsy ela dia tonga tany Salt Lake City izy ary nifankahita tamin’ ny havany.

Very ilay omby fotoana fohy taorian’ ny nahatongavany tany Salt Lake City, ary matetikaizy no manontany tena izay nitranga tamin’ ity namany hafahafa. Lasa vehivavy lehibeizy, nanambady mpikambana ao amin’ ny Fiangonana ary nanan-janaka. Nitohy nananafifanoherana izy, kanefa dia resiny avokoa izany ary nanompo ny Tompo tamim-pahazo-toana izy nandritra ny taona maro. (Jereo Laura Squires Robinson, “The Child’ s jour-ney,” ao amin’ ny Treasures of Pioneer History, nangonin’ i Kate B. Carter, boky 6. [SaltLake City: Daughters of Utah Pioneers, 1953], 2:115–18).

• Ahoana no nandresen’ io zatovovavy io ny fifanoherana teo amin’ ny fiainany? Ahoanano nanampian’ ny Tompo azy? Inona araka ny hevitrao no nosintoniny avy amin’ nyzava-nodiaviny nandritra ilay dia namakivaky ireo lemaka?

Hazavao amin’ ny zatovovavy fa rehefa mandresy fifanoherana izy ireo dia hihamatanja-ka, hihamatotra ary ho be fangorahana kokoa. Asaovy vakin’ ny mpianatra nyFotompampianarana sy Fanekempihavanana 121:7–8. Asao ny zatovovavy hizara nyzavatra nodiaviny manokana tamin’ ny fandresena tamin’ ny ady natrehiny, ary ento ny fijoroana ho vavolombelona anananao.

Fampiasana aroso

1. Mitsidiha trano fialan-tsasatra na hôpitaly, ho fotoana fampianarana

2. Amin’ ny fotoana manokana na dinidinika amorom-patana, dia asaovy mitantara nyfivoarana sy ny hery vokatry ny zava-nodiaviny ny mpandaha-teny nasaina iray, izaynandresy fahasahiranana maro nandritra ny androm-piainany.

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Page 112: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

Ny safidy

TANJONA Hahatakatra ny zatovovavy tsirairay fa tsy misaraka amin’ ny andraikitra ny safidy.

FANOMANANA 1. Miomàna hanao ny sary eny amin’ ny solaitrabe araka ny aseho ao amin’ ny lesona.

2. Manendre zatovovavy hanolotra ireo tantara, soratra masina, na teny nindramina nofidinao.

SOSO-KEVITRA HAMELABELARANA NY LESONA Ny safidy dia hery sy fahalalahana hifidy

Vakio amin’ ny mpianatra ity teny nindramina manaraka ity:

“Manakaiky ny fanomezana aina, dia fanomezam-pahasoavana tena lehibe avy amin’Andriamanitra ny zo hahafahana mitarika ilay aina” (David O. McKay, ao amin’ nyConference Report, Apr. 1950, p. 32).

• Inona no iantsoina ilay zo na fahefana hitarihan’ ny olona ny fiainany? (safidy.)

Farano ny famakiana ilay teny nindramina:

“Ny safidy dia hery manosika ny fivoaran’ ny fanahy. Tanjon’ ny Tompo ny hahatongany olona ho tahaka Azy. Mba hahatanterahan’ ny olona azy io, dia laharam-pahamehanavoalohany ho an’ ny Mpahary ny manao azy ho malalaka” (David O. McKay, ao amin’ny Conference Report, Apr. 1950, p. 32).

• Nahoana no ilaina amin’ ny fivoaran’ ny olona tsirairay ny safidy?

Hazavao fa miaraka amin’ ny fanampian’ ny Tompo sy ny fampiasana araka ny tokony ho izy ny safidy ananantsika, dia afaka miverina any amin’ ny Raintsika any an-danitra isika.

Ahazoana fahalalana mitombo ny safidy tsara

Hazavao amin’ ny zatovovavy fa rehefa mampiasa ny safidy ananantsika isika dia manaosafidy. Mitondra vokany tokoa ny safidy tsirairay.

Fanadihadiana ampiasana solaitrabe

Manorita tsipika mitsangana iray eo afovoan’ ny solaitrabe. Soraty eo ambony eo afo-voan’ ny solaitrabe ny teny hoe Safidy. Manorita tsipika marindrano manapaka ilay tsipi-ka mitsangana. Ampio lohalefona avy eo amin’ ny tendron’ ilay tsipika marindrano.(Jereo ilay sary atao eo amin’ ny solaitrabe efa vita.)

Ilazao ny zatovovavy fa mandravaka ny fampiasana ny safidy sy ny vokany ny tantaran’i Nefia sy ny rahalahiny. Nolazain’ i Lehia tamin’ ny zanany lahy fa nodidina izy tao anatin’ ny nofy handefa azy ireo haka ireo takela varahina any amin’ i Labana.

Asaovy vakin’ ny zatovovavy ny 1 Nefia 3:5 mba hahitana izay neritreretin’ i Lamana sy i Lemoela ny amin’ io asa nanirahana io.

• Ahoana no fihetsik’ i Lamana sy i Lemoela tamin’ io asa nanirahana io?

Vakio ny 1 Nefia 3:7.

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Teny nindraminasy fanadihadiana

Lesona

24

103

Page 113: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

104

• Inona no fanapahan-kevitra noraisin’ i Nefia?

• Inona ny fanomezam-pahasoavana lehibe nampiasain’ i Nefia sy i Lamana ary i Lemoela? (Ny fanomezam-pahasoavan’ ny safidy.)

Eo ambonin’ ny lohalefona havanana amin’ ny sary, soraty ny teny hoe ny safidin’ i Nefia.Eo ambonin’ ny lohalefona havia, soraty ny hoe Ny safidin’ i Lamana sy i Lemoela.

Eo ambanin’ ny lohalefona havanana, soraty ny teny hoe Ny finoana ny Mpamonjy sy Nankatòny rainy. Hazavao fa nampiasa ny finoany ny Tompo i Nefia ary nino sy nankatò ny rainy.

Eo ambanin’ ny lohalefona havia, soraty ny teny hoe Tsy fananana finoana sy Tsy nankatòny rainy. Hazavao fa tsy vonona ny hampiasa ny finoany ny Tompo na ny rainy i Lamanasy i Lemoela.

Tohizo ny tantara amin’ ny fanazavana fa resy lahatra i Lamana sy i Lemoela tamin’ny farany hiaraka amin’ i Nefia. Taorian’ ny andrana tsy nahomby indroa hakana ireotakelaka, dia te hilavo lefona izy ireo noho izany.

Mba hanamarinana ny tsy fananan’i Lamana sy i Lemoela finoana, dia vakio ny 1 Nefia 3:31.

Hazavao fa avy amin’ io soratra masina io, dia fantatsika fa niankina tamin’ ny rafi-kevitr’olombelona i Lamana sy i Lemoela tamin’ ny fanapahany hevitra.

Eo ambanin’ ny lohalefona havia, soraty ny teny hoe Niankina tamin’ ny fisainan’ olombelona.

Vakio ny 1 Nefia 4:1–3.

• Inona no heverinao fa nataon’ i Nefia talohan’ io fotoana io mba hanamafisana orina nyfinoany ny Tompo.? (Nandalina ny soratra masina, ao anatin’ izany ny tantaran’ i Mosesy,ary nivavaka matetika tamin’ ny Tompo). Tat˜ aoriana, dia nanazava loharano hafa nana-mafy orina ny finoany i Nefia.

Asaovy vakin’ ny zatovovavy iray ny 1 Nefia 4:6.

Eo ambanin’ ny lohalefona havanana, soraty ny teny hoe Niankina tamin’ ny soratra masinasy ny fanentanan’ ny Fanahy Masina.

Hazavao fa malina i Nefia tamin’ ny fampiasana ny fahafahany misafidy hitandrina nydidy. Eo amin’ ny lafin-tsary momba an’ i Nefia, soraty ny teny hoe Nitandrina ny didy.

Nampiasain’ i Lamana sy i Lemoela ny fahafahany misafidy mba hanarahany ny lalanamankany amin’ ny ota. Eo amin’ ny lafin-tsary mikasika an’ i Lamana sy i Lemoela, soratyny teny hoe Nandika ny didy.

Hazavao fa noho i Nefia nampiasa ny fahafahany misafidy hanakaiky kokoa ny Rainy anyan-danitra, dia nalalaka kokoa izy hiala ny sakatsakan’ olombelona ary afaka nandraymora kokoa ny fitarihan’ ny Fanahy Masina. Notarihin’ ny Fanahy Masina i Nefia tamin’ny fakana ireo takelaka avy tany amin’ i Labana. (Azonao averina jerena, raha tianao, iotantara io izay hita ao amin’ ny 1 Nefia 4:7–38).

• Nahoana no tsy nahazo io fanampiana io i Lamana sy i Lemoela? (Nolaviny tamin’ny safidy nataony izany.)

Eo ambony amin’ ny solaitrabe, soraty ny teny hoe Malalaka ny hisafidy (2 Nefia 2:27–28).

Vakio miaraka amin’ ny zatovovavy io soratra masina io. Hazavao fa fahababoana, fahafa-tesana ary fahoriana no vokatry ny fanarahana ny lalana nofidin’ i Lamana sy i Lemoela.Any amin’ ny faran’ ny lohalefona eo amin’ ny lafiny misy ny momba an’ i Lamana sy i Lemoela, soraty ny teny hoe Mitarika amin’ ny fahababoana, fahafatesana ary fahoriana.

Ny vokatry ny lalana nofidin’ i Nefia dia fahafahana, fiainana mandrakizay ary fifaliana.Eo amin’ ny faran’ ny lohalefona eo amin’ ny lafiny misy ny momba an’ i Nefia, soraty ny teny hoe Mitondra amin’ ny fahafahana, fahafatesana ary fifaliana.

Page 114: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

• Inona ireo fahalalahana amboniny nananan’ i Nefia noho ny fanapahan-kevitra noraisi-ny? (Tafiditra amin’ ny mety ho valin-teny ireto manaraka ireto: Nalalaka izy ny hananany fitarihan’ ny Fanahy Masina, nalalaka ny hivoatra, nalalaka ny hiditra ny fanjakanaselestialy, nalalaka ny hankahery ireo olona manodidina azy, nalalaka ny hanao ny asan’ny Tompo, nalalaka ny handray fitarihana sy fanambarana ary nalalaka ny hiaina lavitrany fangirifiriana avy amin’ ny ota.)

Asaovy vakin’ ny zatovovavy ny Galatiana 5:1.

• Tamin’ ny fomba ahoana no nahatafiditra an’ i Lamana sy i Lemoela tao amin’ ny fahababoana?

Hazavao fa samy nanana ny safidiny na i Nefia na ny rahalahiny. Koa satria tsy nitovyny nampiasany ny safidiny, dia ho samy hafa koa ny vokatra mandrakizay avy amin’ireo zavatra nataony. Lazao ny zatovovavy fa manana safidy koa izy ireo. Ananany ihanykoa io fahefana voalaza io mba hamaritany ny hoaviny mandrakizay. Raha safidy tsarano ataony, dia hanana fahafahana amboniny ihany koa izy ireo.

Fanadihadiana Iangavio ny zatovovavy hanome ohatra mba hampiseho ny fomba ampiasan’ ny olonaamin’ izao fotoana izao ny safidiny tahaka ny nataon’ i Nefia na ny nataon’ i Lamana sy i Lemoela. Azonao atao ny mizara ohatra vitsivitsy, raha tianao.

Tsara ny manao safidy maro alohan’ ny hitrangan’ ny olana

Tantara Lazao ity tantara manaraka ity:

Mpinamana i Paula sy i Karen, samy mafana fo ao amin’ ny paroasy iray ihany izy ireo. Naka fanapahan-kevitra hentitra i Paula fa hampiasainy hitandremana ireo didy nysafidiny. Efa nanapa-kevitra ny amin’ izay hataony koa izy raha sanatria ka misy olonamitady hampanao zavatra ratsy azy. Nosaintsaininy matetika ny momba ny fanoloran-tena nataony tamin’ izy nandray ny Fanasan’ ny Tompo. I Karen tsy mba naka fotoanamihitsy hanapahana ny amin’ izay hataony na tsy hataony.

Indray alina, namonjy lanonana ho fankalazana ny famaranana ny taom-pianarana izyireo. Niditra niaraka tamin’ ny kesika feno labiera ny zatovolahy iray ary nanombokanizara izany eran’ ny trano.

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Famakafakanasoratra masina

Malalaka ny hisafidy (2 Nefia 2:27–28)

Safidy

Ny safidin’ i Nefia

Tsy fananana finoana

Tsy nankatò ny rainy

Nandika ny didy

Niankina tamin’ ny fisainan’ olombelona

Mitarika amin’ ny fahafahana,

fiainana mandrakizay ary fifaliana

Mitarika amin’ ny fahababoana,

fahafatessana ary fahoriana

Finoana ny Mpamonjy

Niankina tamin’ ny soratra masina sy ny bitsiky ny Fanahy Masina

Nankatò ny rainy

Nitandrina ny didy

Ny safidin’ i Lamana sy

i Lemoela

Sary atao enyamin’ nysolaitrabe

Lesoni 24

105

Page 115: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

106

Efa vita ny safidin’ i Paula. “Tsia, misaotra anao”, hoy izy hentitra raha naroso teo aminyilay labiera amin’ ny boaty. Niezaka hampisotro azy ny olona maro, kanefa dia nahatohitraizy ary nandao ilay lanonana. Notolorana labiera tamin’ ny boaty koa i Karen. Nobanjininyizany nandritra ny fotoana fohy ary nanontany tena amin’ izay tokony hataony izy. “Alefa”, hoy ny feo namporisika teo akaikiny. “Sotroy io ”. Fantatr’ i Karen fa ratsy izany, kanefadia saiky tapitra nisotro avokoa ny olona. “Fa nahoana no tsy fantatrao ny fatiantokao.Sotroy ê; aza mahasosotra eo. Izay indray mandeha ve dia hampaninona anao!” Na dia fantany aza izay tsara, dia resy i Karen tamin’ ny farany ary nisotro izany.

Fanadihadiana • Iza no zatovovavy nanana fanapahan-kevitra sarotra horaisina kokoa?

• Nahoana no mora ny safidin’ i Paula?

• Inona no nahasarotra ny fanapahan-kevitr’ i Karen?

• Inona no fisafidianana eo amin’ ny ratsy sy ny tsara mety hotakina hataonao amin’ ity taona ity?

• Inona no karazana safidy azo atao alohan’ ny hitrangan’ ny olana?

• Ahoana no afaka manamora ny safidy hatao ny fanapahana mialoha izay hatao?

Lazao ny zatovovavy fa afaka manapa-kevitra tsara izy ireo amin’ izao fotoana izao mbahitandremana ny didy. Io fampiasana ny safidy io dia hitarika azy ireo hiverina anyamin’ ny Rainy any an-danitra.

Mijoroa ho vavolombelona momba ny fanomezam-pahasoavana momba ny safidy sy nymaha- zava-dehibe ny fampiasana izany araka ny tokony ho izy. Ampahatsiahivo nyzatovovavy fa efa nampiasa amim-pahombiazana sahady ny safidiny izy ireo fony izyireo nisafidy ny ho et˜ an- tany sy hahazo vatana.

Fampiasana

1. Manomàna takariva iray hitadiavana soratra masina mba hijerena ny fomba nampia-san’ ny olona ao amin’ ny soratra masina ny safidiny.

2. Iangavio ny zatovovavy mba hieritreritra alohan’ ny hakana fanapahan-kevitra ka hijeryraha ny finoana an’ i Jesoa Kristy no ampiasainy na ny hevitr’ olombelona no arahiny.

Fijoroana hovavolombelona

Page 116: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

Ny fankatoavana

TANJONA Hahatakatra kokoa ny fitsipiky ny fankatoavana ny zatovovavy tsirairay.

FANOMANANA 1. Isafidianana: Manomàna taratasy kely ho an’ ny zatovovavy tsirairay. Jereo ny môdelyany amin’ ny faran’ ny lesona.

2. Manendre zatovovavy hanolotra ireo tantara, soratra masina na teny nindramina izaynofidinao.

SOSO-KEVITRA HAMELABELARANA NY LESONA Ny fankatoavana no lalàna voalohany an’ ny lanitra

Soraty eny amin’ ny solaitrabe ny hoe: Ny fankatoavana no lalàna voalohany an’ ny lanitra.

• Nahoana no tsy maintsy mankatò isika mba hiverenana any an-danitra? (Raha tsymanana fanahy vonona sy mankatò isika dia tsy hankatò ny lalàna izay hitarika antsikamiverina any an-danitra.)

Asaovy vakin’ ny zatovovavy ny Jeremia 7:23–24.

• Inona no mitranga amin’ ny tsy mpankatò? (Mihemotra izy ireo fa tsy mandroso.)

Teny nindramina Vakio ity teny nindramina nataon’ ny Loholona James E. Talmage manaraka ity: “Ny fankatoavana no fitaovana amin’ ny fivoarana, fandrosoana, fitomboana, fivelarana”(“Heaven’s First Law,” ao amin’ ny Sunday Radio Talks, 2 Mar. 1930 [Salt Lake City:Deseret Book Co., n.d.], p. 1).

Hazavao fa iray amin’ ny tanjona fototry ny siansa ny fahitana lalàna hafa. Rehefa mahitalalàna ambony kokoa ny manampahaizana ka mankatò ireny, dia zava-mahatalanjona nomety hitranga. Ny nahavitan’ ny olombelona nipetraka teny amin’ ny volana dia ohatrairay amin’ ny maha- zava-dehibe ny fankatoavana. Nandany taona maro ny olombelonanikaon-doha tamin’ ny fitadiavana sy fankatoavana ny lalàna voa-janahary mifehy nyhavesarana, ny fandehanan’ ny fiaramanidina ary ny zavatra maro hafa. Ny fahavitan’ny olona nipetraka teny amin’ ny volana no vokatry ny fankatoavany.

Teny nindramina Vakio ity teny nindramina manaraka ity:

“Moa afaka miteny ve isika fa ny fankatoavana na anatiny na ivelany dia loharanon-kery. . . ? Tsy hahatontosa zavatra ara-nofo na ara-panahy ny olona raha tsy amin’ ny alalan’ny fampiharana, fampiasana ilay karazan-kery faratampony, dia ny fankatoavana”(James E. Talmage, “Heaven’ s First Law,” p. 4).

Hazavao fa toy ny andraisantsika tombon-tsoa avy amin’ ny fankatoavana ny lalàna voa-janahary no andraisantsika tombon-tsoa amin’ ny fankatoavana ny lalàna ara-panahy.Nanambara fotompampianarana lehibe momba ny herin’ ny fankatoavana tamin’ nyMpaminany Joseph Smith ny Tompo. Vakio ny Fotompampianarana syFanekempihavanana 130:18–19.

• Ahoana no ahazoantsika fahalalana sy fahiratan-tsaina misimisy kokoa? (Amin’ ny filofosana sy ny fankatoavana.)

Izao dia vakio ny Fotompampianarana sy Fanekempihavanana 130:20–21.

• Ahoana no ilazan’ ny Tompo fa mandroso ary mahazo fitahiana isika?

Hazavao fa tian’ny Tompo handroso sy hitombo ara-panahy ny zanany. Fantany fa amin’ ny alalan’ ny fankatoavana ny lalàna mandrakizay ihany no ahatanteraka azy io. Manazava izany ity soratra masina manaraka ity.

Famakafakanasoratra masina

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Fanadihadianaampiasanasolaitrabe

Fanadihadianaampiasanasolaitrabe

Lesona

25

107

Page 117: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

108

Vakio miaraka amin’ ny mpianatra ny Fotompampianarana sy Fanekempihavanana82:8–10.

• Inona no lazain’ io andalana io amintsika momba ny herin’ ny fankatoavana?

Hazavao fa tena ilaina tokoa amin’ ny fandrosoantsika mandrakizay ny fankatoavana ka izany no ilazana azy hoe lalàna voalohany an’ ny lanitra.

Avy amin’ ny fitokiana an’ Andriamanitra ny fankatoavana

Vakio ny Mosesy 5:5–7.

• Nahoana araka ny hevitrao no nankatò ny Tompo i Adama na dia tsy mbola fantanyaza ny antony? (Nitoky tamin’ ny Tompo tokoa izy tamin’ ny fahafantarany fa ny zavatramarina ihany no asain’ ny Tompo atao.)

Anontanio ny zatovovavy raha mba efa nankatò izy ireo tamin’ ny fotoana tsy mbolanahatakarany ny antony. Asaovy mizara ny zava-niainany izy ireo.

Hazavao fa kianin’ ny olona sasany ny hafa fa hoe “mankatò an-jambany” an’Andriamanitra na ny mpaminany. Ny marina dia manao izany ireo izay mankatò ny Tompo, satria tiany sy itokisany Izy.

Nianatra nitoky Taminy tamin’ ny alalan’ ny zava-niainany niaraka Taminy izy ireo.

Teny nindramina Vakio ity teny nindramina nataon’ i Joseph Smith ity:

“Na inona na inona takin’ Andriamanitra dia marina, na toy inona na toy inona izany, nadia mety tsy hohitantsika aza ny antony izany raha tsy elabe at˜ aorian’ ny nisehoan’ ireotoe-javatra” (Teachings of the Prophet Joseph Smith, nofantenan’ i Joseph Fielding Smith[Salt Lake City : Deseret Book Co., 1938], p. 256).

Tantara Manamarina ny voalaza ity tantara manaraka ity:

“Indray marain-dohataona, tany am-piasana i [Ephraim K. Hanks], nanamboatra tranobiriky tao [Salt Lake City]. Vao ny fototra no vita ary teo am-panombohana nandrafitrany biriky nohamainina tamin’ ny masoandro izy raha inty i Brigham [Young] nitondra ny kalesiny sady niteny hoe: “Ry Ephraim, firy ny hatevin’ ny rindrim-bato?’

“Namaly i Ephraim fa 20 sentimetatra izany.

“Hoy i Brigham Young: ‘Ravao avokoa izany ry Ephraim, ary ataovy indroa avo heny ny hateviny’. Rehefa izany, dia nanodina ny kalesiny izy ka lasa.

“Avy any Ensign Peak no nitarihan’ i Ephraim ny vato nandritra ny andro maro, ary efaniala vola be izy nanakaramana mpiasa nandrafitra izany tamin’ ny rihatra simenitra.Nanahy izy ny amin’ ilay asa be sy ny ho lany amin’ ny famerenana izany rehetra izanyindray. . . .

Niverina nifampiraharaha tamin’ ilay mpandrafitra vato anefa izy hanatevina avo roaheny ny rindrina, ary nanomboka nitarika vato indray ny ampitson’ iny.

“Iray volana tat˜ aoriana, dia nandrafitra biriky tanimanga maina teo ambonin’ ilay rindrina (fototra) nahatratra antsasa-metatra teo ho eo izy ireo. Raha mbola teo am-pametahana ny tapenaka izy ireo, dia nanomboka ny oram-be nampivarahontsana. Avynivatravatra ny orana, nahatonga riaka nivarina tetsy sy teroa. Tao anatin’ ny minitravitsy, dia dibo-drano ny fototr’ ilay trano vaovao, kanefa tsy nihontsona ary natanjakailay rindrina matevina, nitaty ilay trano. Andro vitsivitsy tat˜ aoriana, rehefa lasa ny ranoka voapetaka ny tapenaka, dia namantsika i Eph naim no sady nihirahira ny ‘Seigneur,merci pour le Prophète’” (Sydney A. Hanks and Ephraiim K. Hanks, Scouting forMormons on the Great Frontier [Salt Lake City: Deseret Book Co., 1948], p. 79–80).

Hoy ny Loholona Boyd K. Packer: “Mety ho tena fanehoana marina ny fahaleovan-tenany fankatoavana an’ Andriamanitra. Mieritreritra fotsiny ny hanome Azy ilay zavatrairay, ilay fanomezana iray izay tsy halainy na oviana na oviana. . . .

“Ny fankatoavana—izay tsy halain’ Andriamanitra na oviana na oviana amin-kery—diahoekeny rehefa omena malalaka. Ary dia homeny anao ho tambiny rehefa izany ny faha-lalahana izay tsy azonao veroka akory—ny fahalalahana hahatsapa sy hahafantatra, ny

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Famakafakanasoratra masina

Page 118: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

109

fahalalahana hanao, ary ny fahalalahana hiaina, farafaharatsiny an’ arivony maro noho nyatolotrao Azy. Mahagaga tokoa fa fanalahidy ho amin’ ny fahalalahana ny fankatoavana”(Obedience, Brigham Young University Speeches of the Year [Provo, 7 Des. 1971], p. 3–4).

• Nahoana araka ny hevitrao no fanalahidy ho amin’ ny fahalalahana ny fankatoavana?

Hazavao fa ny fankatoavana marina an’ Andriamanitra dia tsy fankatoavana an-jamba-ny. Fankatoavana teraka avy amin’ ny fitokiana an’ Andriamanitra izany.

Mahazo fitahiana isika rehefa mankatò

• Inona no fitahiana mety ho azontsika rehefa mankatò isika?

Vakio ny Fotompampianarana sy Fanekempihavanana 59:23.

• Nahoana araka ny hevitrao no miadana kokoa ny mpankatò eo amin’ ity fiainana ity?

Hazavao fa ny fahasambarana sy ny fiadanana dia anisan’ny fitahiana avy amin’ ny fankatoavana. Ny fankatoavana koa dia mitondra antsika ho tonga karazan’ olona tian’Andriamanitra hahatongavantsika. Vakio ity teny nindramina avy amin’ ny Filoha HeberJ. Grant manaraka ity:

Teny nindramina “Misy feo kely malefaka milaza amintsika ny marina, ka raha mihaino izany feo kelymalefaka izany isika dia handroso sy hitombo amin’ ny tanjaka sy hery, amin’ ny fijoroa-na ho vavolombelona sy amin’ ny fahafaha-manao, tsy ny hiaina ny filazantsara ihany fa ny hanentana ny hafa hanao toy izany koa.

“Ny tena ivavahako mafy dia ny hahazoan’ ny lehilahy rehetra sy ny vehivavy rehetra ao am- pony, fa izy ireo no tena tompo-mariky ny fiainany” (‘The Path of Safety,”Improvement Era, Des. 1937, p. 735 ).

Tantara Manazava ireo fitahiana azon’ ny mpikambana ao amin’ ny Fiangonana noho ny fanka-toavany ity tantara manaraka ity:

Tao amin’ ny tanàna kely iray tao Belzika, nifanena tamin’ ny mananotena sy ny zananyefatra ireo misiônera. Nandray ny filazantsara tamin-kafaliana ilay fianakaviana ary nane-ho ny faniriana ny hatao batisa. Rehefa nahafantatra ny momba ny fahafolonkarena àryilay reny tanora dia velona ahiahy, satria zara raha ampy ny vola hivelomany. Nasehonyny misiônera ny teti- bolany ary nohazavainy fa ilaina avokoa na dia ny iraimbilanja.

Ahoana no hahafahany manokana ampahafolony ka mbola ho afa-miana? Na ny misiô-nera aza nanifikifi-doha kivikivy. Tamin’ ny fanehoana ny finoany ny Tompo sy ny fam-panantenany hanokatra ny varavaran’ ny lanitra, dia niangavy azy hametraka ny fitokia-ny amin’ ny Tompo ireo misiônera. Nanaiky ilay reny sy ny zanany lehibe indrindra arynatao batisa. Niady mafy izy ireo tao anatin’ ny efa-bolana kanefa dia nanao izay nan-doavana ny fahafolonkareny.

Rehefa izany, tamin’ ny volana fahadimy, dia nisy taratasy tonga avy amin’ ny fanjakanabelza nanazava fa diso kajy ny vola fanampiana noraisin’ ilay ramatoa noho ny vadinymaty. Tsy vitan’ ny nandefa fitomboam-panampiana fotsiny izy ireo fa dia mbola nampi-ditra taratasim-bola nisy ny tamberim-bola rehetra tokony ho naloa taminy. Marina tokoafa nitana ny teny nomeny ny Tompo.

Hazavao fa tsy voatery ho eo no ho eo hatrany no anomezana ireo fitahiana. Jeren’ nyTompo amin’ ny fijery mandrakizay ity fiainana ity ary fantany izay tena mahasoa antsika.

Famaranana

Vakio ny Jaona 14:15, 21.

Hazavao fa lehibe ny fitahiana azo avy amin’ ny fankatoavana ny Tompo. Ambony vidylavitra noho izay sorona tokony hataontsika mba hitandremana ny didiny izy ireny.

Taratasy hozaraina Azonao omena karatra kely ny zatovovavy tsirairay, raha tianao, izay misy ny soratraFankatoavana sy ireto toko sy andinin-tsoratra masina manaraka ireto: Jeremia 7:23–24;Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:18–21; Fotopampianarana sy

Soratra masina syfamintinana ataon’ny mpampianatra

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Famakafakanasoratra masina

Lesoni 25

Page 119: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

110

Fanekempihavanana 59:23; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:8–10; Jaona14:15, 21; ary Korintiana voalohany 2:9. Iangavio izv ireo handalina ireo soratra masinamandritra ny herinandro ary hiezaka hankatò bebe kokoa ny didin’ Andriamanitra.

Fankatoavana

Jeremia 7:23–24

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:18–21

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:23

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:8–10

Jaona 14:15, 21

Korintiana voalohany 2:9

Page 120: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

111

Ny fibebahana

TANJONA Hahafantatra ny zatovovavy tsirairay avy fa ampahany tena lehibe amin’ ny fandrosoanany fibebahana.

FANOMANANA 1. Vatsio taratasy sy pensilihazo ny mpianatra tsirairay.

2. Isafidianana: Manomàna peta-drindrina lehibe na soraty eny amin’ ny solaitrabe nyFotompampianarana sy Fanekempihavanana 18:13. Azonao atao ny manao tahadika io soratra masina io ho an’ ny zatovovavy tsirairay, raha tianao.

3. Manendre zatovovavy hanolotra ireo tantara, soratra masina na teny nindramina izaynofidinao.

4. Raha misy eo amin’ ny faritra misy anao, dia alefaso ny “Se repentir: Il n’ est jamaistrop tard”, ao amin’ ny cassettes d’ accompagnement des soirées Familiales , n°2 (53277 140).

SOSO-KEVITRA HAMELABELARANA NY LESONA Fampidirana

Omeo iray avy amin’ ireto toko sy andinin-tsoratra masina manaraka ireto ny zatovova-vy tsirairay: Isaia 1:16-18; Almà 34:33; Fotompampianarana sy Fanekempihavanana58:42-43. Iangavio ny tsirairay aminy hamaky ny soratra masina azony ary rehefa izanydia hamintina ny ventin-kevitra fonosin’ izany amin’ ny mpianatra.

• Inona araka ny hevitrareo ny lohahevitry ny lesona androany?

Hazavao fa hamakafaka ny fitsipika manan-danjan’ ny fibebahana ny lesona.

Ilaintsika ny mibebaka isan’ andro

Hazavao fa ny anton’ ny fahatongavantsika et˜ amin’ ity tany ity dia ny hitombo syhivoatra. Manao fahadisoana anefa ny tsirairay amintsika eo amin’ izany fizorana amin’ny fandrosoana sy ny fivoarana izany, na noho ny tsy fahafantarantsika na noho ny faha-lementsika, na noho ny tsy fankatoavana an-kitsirano izao. Noho ireo fahadisoananataontsika ireo, dia ilaintsika ny mibebaka. Raha tsy mibebaka isika dia tsy ho afaka ny ho tonga tahaka ny Raintsika any an-danitra bebe kokoa.

Teny nindramina Vakio ity fanambarana manaraka ity: “Tsy misy mihitsy andro iray eo amin’ ny fiainan’olombelona ka tsy ilana ny fibebahana ho amin’ ny mahasoa azy sy ny fivoarany man-drakizay” (Spencer W. Kimball, The Miracle of Forgivness [Salt Lake City: Deseret BookCO., Bookcraft, 1969], p. 32) .

Hazavao fa na dia nahavita ota lehibe aza isika dia mety hihevitra fa tsy ilaintsika nymibebaka. Raha ny ny marina anefa, dia ilaintsika rehetra ny mibebaka isan’ andro.

• Nahoana no ilaina ny fibebahana isan’ andro? Inona ny ratsy mety hataontsika izaymety mitaky ny fibebahana isan’ andro?

Asaovy mitanisa fahalemena fahita amin’ ny olombelona izay mety hahavoa azy sy nyhafa ny zatovovavy. (Mety ho ao anatin’ izany ny: mifosa; mandainga; manao hosoka;mangalatra; misaina zavatra maloto; mitantara zavatra mampiahiahy; mifanorokorokana mifanafosafo; tsy manaja, tsy mankatò, na mivatravatra fiteny na fihetsika; mifidykaraza-namana ratsy; ary mandray anjara amin’ ny karazana asa aman-danonana ratsy.)

• Ahoana no isakanan’ ireo fahalemena sy ota ireo antsika tsy hivoatra ho tonga tahakany Raintsika any an-danitra ?

Fanadihadianaampiasanasolaitrabe

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Fampiasanamikasika soratramasina

Lesona

26

Page 121: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

112

• Ahoana ny akon’ ireny amin’ ny fahatsapantsika ny momba antsika?

• Ahoana ny akon’ ireny amin’ ny fifandraisantsika amin’ ny hafa sy amin’ ny Tompo?

Tantara Tantarao ity manaraka ity:

Nazoto mandrakariva i Janice tao amin’ ny Fiangonana. Nanana fianakaviana be fitiava-na sy namana tsara izy, saingy tao anatin’ ny volana vitsivitsy, dia nampiseho fanahykitokitoina sy be famaliana izy. Nolazainy ny ray aman-dreniny fa mankaleo ny fiainanyno sady diso manaraka loatra ny fomba fiainan’ ny fianakaviany. Nahatsapa izy fa efalehibe ihany ka afaka manao ny safidiny manokana, ary niriny ny hanao ireo zavatramampientana sasany hitany ataon’ ny tanora hafa.

Tat˜ aoriana dia nanomboka tratra aoriana be izy vao miditra ny trano ary mandà nyhitantara amin’ ny fianakaviany izay toerana nalehany. Nitsahatra tsy niangona intsonyizy. Tara hatrany izy vao tonga any am-piangonana ary indraindray dia manapaka fiana-rana mihitsy.

Matetika tezitezitra izy ary nandany ora maro irery tao an’efitranony. Tsy nentiny tanyan-tranony ireo namany vaovao ary tsy niresaka na oviana na oviana ny momba azy ireoizy. Ny fofona amin’ ny akanjony dia nitory tamin’ ny fianakaviany fa zavatra tena hafatamin’ ny zavatra nampianarina azy sy nankafiziny taloha no nataony.

Fanadihadiana • Inona no mety hiafaran’ i Janice raha tohiziny izao fanao ratsiny izao?

• Inona no zavatra mbola mety hisy amin’ ny fiainany raha miova izy?

• Ahoana no hiantrakan’ ny safidy ataony amin’ ny fivoarany ara-tsaina sy ara-panahy?

Teny nindramina Hoy ny Filoha Spencer W. Kimball: “Hatrany am-piandohana dia nisy karazan’ otamarobe teto an-tany. Ny maro tamin’ izy ireny dia nitondra fahavoazana tamin’ ny hafaary manohitra ny tenantsika sy manohitra an’ Andriamanitra ny ota rehetra, satria ny otadia mametra ny fivoarantsika, mampihena ny fivelarantsika ary mampisaraka antsikaamin’ ny olona tsara, amin’ ny fitaomana tsara ary amin’ ny Tompontsika” (Faith Precedesthe miracle [Salt Lake City: Deseret Book CO., 1972, p. 174).

Hazavao fa raha manohy ny ataony i Janice dia hanala tsikelikely ny tenany amin’ nyfitaoman’ ny olona tsara izy; hisakana ny fivelaran’ ny heriny ara-batana, ara-tsaina aryara-panahy; ary tsy hotarihin’ ny Fanahy Masina intsony. Raha mibebaka izy dia afakamanavao ny tenany sy manomboka mivoatra sy mivelatra indray.

Mitondra fiadanana sy fahasambarana eo amin’ ny fiainantsika ny fibebahana

Hazavao fa tian’ Andriamanitra isika tsirairay avy ary tiany ho sambatra. Satria tiany isika,dia nomeny antsika ilay fitsipiky ny fibebahana, izay hanampy antsika hanarina ny fahadi-soantsika. Rehefa mibebaka isika, dia afaka miasa eo amin’ ny fiainantsika ny sorompana-votan’ i Jesoa Kristy. Raha tsy mibebaka isika, dia tsy afaka hamela antsika ny Tompo.

Ny tena irintsika indrindra dia ny ho tonga tahaka ny Mpamonjy. Rehefa mibebaka isikadia mampiseho fa ananantsika io faniriana io. Raha mibebaka isan’ andro isan’ androisika dia hanatsara miandalana ny tenantsika, hahita fiadanana sy fifaliana isika ary hotonga bebe kokoa tahaka ny Mpamonjy.

• Inona ireo dingana tokony harahintsika mba hibebahana? Aoka hifanakalo hevitra nyzatovovavy.

Ataovy izay hahatsapany fa tsy maintsy miaiky ny olona iray fa nanota, manenina mafyamin’ ny ota nataony, mibaboka ny otany tamin’ ny Tompo sy tamin’ ny olona mety honasiany ratsy, manao izay vitany mba hanonerana ny zava-dratsy vitany ary miasa mafyrehefa izany mba tsy hamerina intsony ilay ota.

Hazavao fa noho isika rehetra manao hadisoana, dia efa samy niaina ireo fahatsapanahafahafa entin’ ny fahadisoana isika rehetra. Na dia zava-dratsy kely aza dia mahatongaantsika hahatsiaro tsy ho sambatra. Ny ota lehibe dia mahatonga tsy fahasambarana lali-na sy maharitra ela. Iangavio ny zatovovavy hilazalaza ny sasantsasany amin’ ny zavatratsapany na hitany tamin’ ny hafa vokatry ny fanaovan-dratsy.

Soraty eny amin’ ny solaitrabe amin’ny andalana iray ireo valin-tenin’ ny zatovovavy arydiniho miaraka ireny. (Mety ho ao anatin’ ny lisitra ny fahamelohana, ny fahasorenana,

Fanadihadianaampiasanasolaitrabe

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Page 122: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

113

ny fahakiviana, tsy fitombenana, fahadisoam-panantenana ary ny fahatsapana mitovyamin’ izany). Hamafiso ny hevitra fa tsy afaka ny ho sambatra isika raha manota.

Vakio ny Almà 41:10.

Hazavao fa efa samy nahafantatra ireo fahatsapana mahafinaritra azo ihany koa isikarehetra rehefa mibebaka. Iangavio ny zatovovavy hilazalaza ny sasany amin’ ireny faha-tsapana ireny. Soraty eny amin’ ny solaitrabe amin’ny andalana iray hafa ny hevitr’ izyireo ary diniho miaraka. (Mety ho ao anatin’ ireny ny fiadanana, fahasambarana, faha-maivanana, fahafaham-po, hafaliana, fahamiramiranana, fahatoniana ary ny fitsapanamitovy amin’ izany.)

Iangavio ny zatovovavy hijery ny fahasamihafana misy eo amin’ ny lisitra roa eo amin’ny solaitrabe ary hanapaka izay fahatsapana tiany hananana kokoa. Hazavao fa fanalahi-dy ho amin’ ny fifaliana sy ny fiadanana eo amin’ ny fiainany ny fibebahana.

Hazavao fa nampianatra antsika lesona manan-danja momba ny fibebahana ny mpitarikany Fiangonana. Raha misy ny fotoana, dia vakio sy diniho miaraka ireto fanambaranamanaraka ireto:

Teny nindramina 1. “Ny entana tena mavesatra izay zakain’ ny olona iray eto amin’ ity fiainana ity dia ny enta-mavesatry ny ota” (Harold B. Lee, ao amin’ ny Conference Report, Apr. 1973,p. 177; na Ensign, Jolay 1973, p. 122).

2. “Ny fibebahana no tena fanalahidy ho amin’ ny fiainana tsaratsara kokoa sy sambatrakokoa. . . . Rehefa ateraka indray ny olona, rehefa miova ny fiainany—dia ho avy ilayfahagagana lehibe manatsara sy manafana ary mampisandratra. Rehefa mampitahotrany fahafatesana ara-panahy, ary ankehitriny ho solon’ izany dia misy fitsangananaamin’ ny maty, rehefa atosiky ny fiainana hiala ny fahafatesana—rehefa mitrangaizany, dia izay no fahagagana amin’ ireo fahagagana” (Spencer W. Kimball, The Miracleof Forgivness, p. 28, 362).

3. “Vitsy ny fanomezam-pahasoavana mampitsiriritra kokoa noho ny feon’ ny fieritrere-tana madio — ny fanahy finaritra ny amin’ ny tena. Ny herin’ ny Mpamonjy ihany noafaka manasitrana ny fanahy ory” (J. Richard Clarke, “Confession,” New Era, Nôv.1980, p. 4).

4. “Amin’ ny alalan’ ny fibebahana no ahafahan’ i Jesoa Kristy Tompo mampiasa ny faha-gagana manasitrana ananany, izay manome hery antsika rehefa reraka isika, fahasala-mana rehefa marary isika, fanantenana rehefa ketraka isika, fitiavana rehefa mahatsiaroirery isika, fahatakarana rehefa mitady fahamarinana isika” (Spencer W. Kimball,“Give the Lord Your Loyalty,” Ensign, Mar. 1980, p. 4).

Famaranana

Asehoy ny peta-drindrina misy ny Fotompampianarana sy Fanekempihavanana 18:13,ary asaovy vakin’ ny zatovovavy ilay andininy. Omeo ny zatovovavy ireo tahadika misysoratra masina nofidinao. Asaovy ataony amin’ ny toerana talaky ny masony izy ireny hofampahatsiahivana fa mitondra fiadanana sy fifaliana et˜ sy any amin’ ny fiainana man-drakizay rahatrizay ny fibebahana.

Iangavio ny zatovovavy tsirairay hiezaka hanana fahazarana hibebaka isan’ andro. Mety hoao anatin’ izany ny fisaintsainana ny toe-javatra niseho tao anatin’ ny andro, manao zavatratsara amin’ ny hafa raha ilaina, ary mangataka famelana sy fitarihana amin’ ny vavaka.

Fampiharana ny lesona

Zarao amin’ ny mpianatra ny taratasy sy ny pensilihazo. Iangavio ny zatovovavy tsirai-ray hieritreritra izay zavatra tiany hovana amin’ ny fisainany na amin’ ny toetrany.Asaovy soratany izay zavatra hovany amin’ ny toetrany sy ny fanaony. Iangavio izyhametraka an’ io fanoloran-tena io ao amin’ ny toerana izay ahafahan’ izany mampatsia-hy azy mandritra ireo herinandro ho avy.

Soratra masina sytaratasy hozaraina

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Lesona 26

Page 123: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

114

Ny Famelana ny tena

TANJONA Hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny famelany ny tenany ny zatovovavy tsirairay.

FANOMANANA 1. Mitondrà vato, boky na zavatra manana vesatra eo amin’ ny 1/2 ka hatramin’ ny 1kilao eo.

2. Isafidianana: Mitondrà tavoara be vava na goro (jereo ny fizarana fahatelo amin’ nylesona). Tokony hanana vava malalaka ampy hidiran-tanana mitsotra ao anatiny, kane-fa tsy dia lehibe loatra mba tsy hahafahan’ ny totohondry mivoaka avy ao. Mitondràkoa vato na zavatra hapetraka ao anatin’ ilay tavoara.

3. Manendre zatovovavy hanolotra ireo tantara, soratra masina na teny nindramina izaynofidinao.

Fanamarihana: Amin’ ny lesona hafa no ijerena ny lohahevitra momba ny famelana nyhafa. Hiresaka ny momba ny famelana heloka ny tena ity lesona ity.

SOSO-KEVITRA HAMELABELARANA NY LESONA Mavesatra ny lanjan’ ny ota

Fampiharihariana Rehefa manomboka ny kilasy, dia mangataha zatovovavy iray hitazona ambony vato nazavatra milanja 1/2 ka hatramin’ ny 1 kilao eo, amin’ ny fanatsorana ny tanany. Iangavioizy hitazona ilay vato toy izany io mandritra ny fanolorana ity tantara manaraka ity.

Tantara Nianika tendrombohitra ny andian-jazavavy iray ary nijanona niala sasatra alohan’ nyhanohizana ny fianihana ilay havoana mideza.

I julie no tena natanjaka tao amin’ ilay tarika ary matetika dia eny aloha izy mandrindrany dia izay sarotra ho an’ ireo sisa ny manaraka azy indraindray. Tamin’ io andro io, diananapa-kevitra ny hanao vazivazy aminy ny sasany tamin’ ireo zatovovavy. Rehefa nialasasatra izy, dia nankaf˜ nisotro rano, ka novohan’ izy ireo moramora ny kitapony arynanasitrihany vatobe tao anatiny.

Rehefa tapitra ny fialan-tasatra, dia nataon’ ireo zatovovavy tao an-damosiny ny kitaponyary nanomboka nihanika ilay tendombohitra izy. Tamin’ ny voalohany dia tsy tsapan’ iJulie ilay vesatra amboniny nobabeny, tat˜ aoriana kely anefa, dia nanomboka navesatrailay kitapo ary nanomboka reraka izy. Izay no fotoana voalohany tsaroany fa naha-voateryazy ho tafajanona tany aorian’ ny tarika niaraka tamin’ ireo zatovovavy miadana indrindra.

Tsy mbola tonga teny an-tampon-tendrombohitra i Julie raha nahita ny antony tena nam-pahavesatra ny kitapony sy ny antony nahatonga azy ho reraka tokoa. Tezitra izy tamin’ny voalohany, kanefa tsapany nony avy eo fa nisangisangy azy fotsiny ireo namany nohoizy mpianika matanjaka kokoa. Niara-nihomehy tamin’ ny hafa izy momba ilay vato tsynisy nilana azy izay nobabeny lavitra tokoa nianika ilay tendrombohitra.

Rehefa nesorina tao amin’ ny kitapony ilay vato, dia nahatsapa natanjaka indray i Julieary vetivety dia nandeha tamin’ ny toerana mahazatra azy nialoha ny tarika.

Ilazao ilay zatovovavy izay mbola mitazona ilay zavatra hametraka izany. Anontanio izyraha reraka, ary avelao izy hanazava ny maha-mavesatra na ny zavatra kely aza, raha toaka voatery hiazona izany fotoana fohy ianao. Lazao fa na tsy vato aza no babentsika,indraindray dia mibaby karazana vesatra izay tsy ilaina sy mandreraka isika tahaka nynobatain’ i Julie. Ny otantsika no vato na vesatra bataintsika.

Fanadihadiana • Nahoana no mavesatra sy mafy ny vesatry ny ota? (Rehefa fantatsika izay tian’Andriamanitra hataontsika ka tsy vitantsika izany, dia ho menatra isika ary hahatsapa faho meloka. Tsaroantsika ny tsy fahombiazantsika sy ny alahelontsika momba ireny, arylasa vato mavesatra na vesatra ao an-tsaintsika izy ireny.)

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Lesona

27

Page 124: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

115

• Ahoana no afaka manana fiantraikany amin’ ny fiainantsika ny vesatry ny ota?

Hazavao fa mivesatra tsy amin’ antony ny ota izay efa nibebahany ny olona sasany.

Hamelantsika ny Tompo raha mibebaka isika

Hazavao fa toa betsaka loatra na lehibe loatra ny fandikan-dalàna vitantsika indraindray,hany ka mahatsapa isika fa tsy manana fanantenana ny handresy azy ireny. Indraindrayna dia efa nanao ezaka ny hibebaka aza isika dia mbola manahy ihany fa sao tsy namelanyhelontsika ny Tompo.

Fanadihadiana • Nahoana no ataon’i Satana izay hinoantsika fa efa nanota tsy misy fanantenam-pamela-na intsony isika? (Mba tsy hibebahantsika sy hanontantsika bebe kokoa hatrany.)

Teny nindramina Nanazava ny Filoha Spencer W. Kimball fa afaka manana ny fitahian’ ny famelana avokoany olona: “Indraindray ny fahatsapana ho meloka dia mandresy ny olona miaraka amin’ny vesatra toy izany, ka rehefa manao jery todika ny olona nibebaka iray ka mahita nyharatsiana, ny toetra maharikorikon’ ny fandikan-dalàna, dia saika ketraka ary manontanytena hoe: ‘Mba ho afaka hamela ahy ihany ve ny Tompo? Mba ho afaka hamela ny tenakoihany ve aho?’ Rehefa latsaka ao anatin’ ny fahadisoam-panantenana lalina ny olona arymahatsapa ny tsy fisiana fanantenana ny aminy intsony, ary rehefa miantso ny famindram-pon’ Andriamanitra ao anatin’ ny fahaverezana izy kanefa amim-pinoana, dia misy feokely, malefaka nefa milentika tonga mibitsika ny fanahiny manao hoe ‘ Voavela ny helo-kao’” (The Miracle of Forgivness, [Salt Lake City, Deseret Book Co., Bookraft, 1969], p. 344).

Soratra masina Asaovy vakin’ ny zatovovavy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:42–43 sy ny Môsià 4:2–3.

• Inona no nampanantenain’ ny Tompo ao amin’ ny soratra masina nalaina tao amin’ ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana? (Raha mibebaka isika, dia hamela nyhelotsika Izy ary tsy hahatsiaro intsony ny fahotantsika.)

• Inona no nitranga tamin’ ny vahoakan’ i Benjamina mpanjaka ka nitondra fifalianalehibe ho azy ireo, araka ny voalaza ao amin’ ny Môsià?

• Ahoana araka ny hevitrareo no hahalalan’ ny olona iray fa navelan’ ny Tompo ny helony?

Teny nindramina Toy izao no nampianarin’ ny Filoha Harold B. Lee:

“Raha tonga ny fotoana izay nanaovanao izay rehetra vitanao mba hibebahana ny ota-nao, na iza ianao na iza, na aiza na aiza misy anao, . . . dia ho tianao ilay valin-teny mana-mafy na neken’ ny Tompo ianao na tsia. Amin’ ny fikatsahanao ny fanahy, raha mitadyianao dia ho hitanao ilay fiadanam-po, amin’ izay famantarana izay no mety hahalalanaofa nanaiky ny fibebahanao ny Tompo. Tian’ i Satana ny hiheveranao zavatra hafa, aryindraindray mandresy lahatra anao izy fa ny fanaovana fahadisoana anankiray no metyhanohizanao hatrany hatrany tsy miverin-dalana. Izany no iray amin’ ny famitahanalehibe. Ny fahagagana amin’ ny famelan-keloka dia misy ho an’ ireo rehetra izay mialaamin’ ny fanao ratsiny ary tsy miverina intsony” (Harold B. Lee, ao amin’ ny ConferenceReport, Apr. 1973, p. 177–78; na Ensign, Jolay 1973, p. 122).

Ampahany manan-danja amin’ ny fibebahana ny famelantsika ny tenantsika

Iangavio ny zatovovavy hieritreritra momba ny antony maha-zava-dehibe ny mamela nytena rehefa mibebaka ny amin’ ny fahotana izy ireo. Rehefa izany, dia atolory ity fampi-harihariana manaraka ity:

Mifidiana zatovovavy iray hametraka ny tanany ao anaty tavoara izay misy vato nazavatra hafa any amin’ ny vodiny. Iangavio izy haka ilay zavatra ary hamoaka izany avyao amin’ ilay tavoara. Rehefa nakombony nanaraka ilay zavatra ny totohondriny, dia holehibe loatra ny tanany ka tsy afa-miala avy ao amin’ ilay tavoara. Tsy maintsy avotsonyilay zavatra mba hanafaka ny tanany.

Hazavao fa io fampiharihariana io dia afaka mampianatra antsika zavatra momba nyotantsika. Raha mbola manaram-po amin’ ny otantsika isika, dia tsy afaka ny ho malala-ka. Raha mifikitra amin’ ny otantsika isika dia tsy ho afaka ny hivoatra araka ny tokonyho izy. Iray amin’ ny fomba ifikirantsika amin’ ny otantsika matetika ny fandavana nyhamela ny tenantsika.

Famelabelaranaataon’ nympampiantra

Fampiharihariana(isafidianana)

Fanontanianahosaintsainina

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Page 125: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

116

Asaovy vakin’ ny zatovovavy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:9–10.

• Nahoana araka ny hevitrareo no didin’ ny Tompo isika mba hamela ny olona rehetra?Nahoana araka ny hevitrareo no zava-dehibe ny hamelantsika ny tenantsika?

Tantara Mampiseho ny maha-zava-dehibe ny famelana ny tenantsika ity tantara manarakanataon’ ny Loholona Sterling W. Sill ity.

“Indray andro aho dia tafaresaka tamin’ ny vehivavy 53 taona iray izay nandika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena tamin’ ny faha-18 taonany. Takany fa tena lehibe ny otany,kanefa noho izy nibebaka aman’ arivorivony, dia afaka miantehitra amin’ ny fampanan-tenan’ ny Tompo isika fa namela azy Izy. Tsy namela ny tenany mihitsy anefa izy. Satrianahatsapa-tena ho tsy madio sy ambany izy, dia nihataka tamin’ ny namany, nandà nyhanambady ary lasa karazana mpitoka-monina na eo amin’ ny fiaraha-monina na ara-panahy. Tao anatin’ ny 35 taona no nanambaniany tena miaraka amin’ ny nenina sy fana-melohana mangidy. Ny fiainany amin’ ny fiverenany mijery ny otany, dia nampiodinaazy tamin-javatra lavitra dia lavitra amin’ ilay olona mahafinaritra tian’ Andriamanitrahahatongavany. Tena lehibe tokoa ny otany tamin’ io faha-18 taonany io. Nandritra ny 35taona anefa, dia mbola nianjady taminy ihany ny vesatry otany ka very maina ny zavatratena sarobidy eto an-tany, dia ny fiainana mahafinaritry ny olombelona” (What Doth ItProfit [Salt Lake City: Bookcraft, 1965, p. 183).

Fanadihadiana • Nahoana no sarotra ny mamela ny tenantsika? Asaovy milaza zavatra manokana izaymisakana azy hamela ny tenany ny zatovovavy. Azonao soratana eny amin’ ny solaitrabeireo zavatra ireo, raha tianao.

Mety ho ao anatin’ izany ireto manaraka ireto: Tsapany fa mahatsiravina tokoa ilay ota;tsy ampy ny finoantsika ny sorompanavotana; tsy takatsika ny halehiben’ ny fitiavan’ny Tompo antsika; diso mieritreritra loatra ny amin’ ny zavatra ratsy nataontsika isikaka tsy ampy ny amin’ ny zavatra tsara ataontsika; matahotra hamela ny tenantsika handroso isika.

Teny nindramina Avereno jerena ity teny nindramina manaraka ity:

“Ny olona izay mbola mahatsapa fa mbola meloka rehefa afaka fotoana ela, taorian’ ny nibebahany, dia mety hiezaka hanontany tena amin’ ireto zavatra ireto:

“1. Vitako avokoa ve ny dingan’ ny fibebahana (fiekena, fanenenana, fibabohana rahailaina, fanonerana, sns.)?

“2. Moa ve aho nangataka famelan-keloka tamin’ ny Tompo?

“3. Moa ve aho namela ny Tompo haka ny enta-mevesatro tamin’ ny fitokiana ny fahefanyhanao izany sy ny fitiavany ahy?

“4. Moa ve aho namela tanteraka ny tenako noho ny ratsy vitako?” (Dale F. Pearson, “I Have a Question,” Ensign, Jolay 1980, p. 32).

Asaovy vakin’ ny zatovovavy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:33.

• Amin’ ny fomba inona no ilazana fa fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra ny famelan-keloka? Ahoana no ampiharana io soratra masina io amin’ny fanomezam-pahasoavan’ ny famelan-keloka?

• Nahoana no tsy maintsy manam-pinoana isika alohan’ ny hahazoantsika manaiky tanteraka ny fanomezam-pahasoavan’ ny famelan-keloka?

Teny nindramina “Matetika dia foana ho azy ny famelan’ Andriamanitra heloka noho ny mpanota tsymamela ny tenany. Inona no soa azon’ Andriamanitra mamafa ny ratsy vitantsika ao an-tsainy, raha manohy mamela izany hanjaka ao an-tsaintsika isika amin’ ny famerimbere-nana mamisavisa izany ao an- tsaintsika?” (Sterling W. Sill, What Doth It Profit, p. 179).

Famaranana

Hazavao fa nampanantena hamela antsika ny Tompo ary tsy hahatsiaro intsony ny otan-tsika raha mibebaka isika. Adidintsika ny mibebaka sy mamela ny tenantsika.Indraindray dia mora kokoa ny mamela ny hafa noho ny mamela ny tenantsika. Tsymaintsy maneho finoana an’ Andriamanitra sy ny tenantsika isika ary manaisotra nyratsy vitantsika taloha hiala amin’ ny fiainantsika.

Famakafakanasoratra masina

Famakafakanasoratra masina

Page 126: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

117

Soratra masina Hazavao fa nosoritsoritan’ i Almà ao amin’ ny Almà 36:16–21 ny famelana nataony.Asaovy vakin’ ny zatovovavy io andalana io.

Ilazao ny zatovovavy fa raha misy ota mbola tsy nibebahany, dia afaka mahita fiadananasy hasambarana amin’ ny fanarahana ny dingan’ ny fibebahana izy. Omeo toky izy ireofa afaka mahazo famelana sy manana fiadanam-po. Azony hadinoina ny ratsy vitany aryesoriny hiala amin’ ny fiainany.

Lesona 27

Page 127: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

118

Ny fanokanana sy ny fanaovana sorona

TANJONA Hahatakatra sy haniry hiaina ny lalàn’ ny fanaovana sorona sy ny fanokananany zatovovavy tsirairay.

FANOMANANA 1. Manomàna karatra manintona ho an’ ny mpianatra tsirairay avy, izay misy ity tenymanaraka avy ao amin’ ny Môsià ity voasoratra eo aminy: “Raiki-trosa mandraikizayamin’ny Rainareo any an-danitra ianareo mba hamerina Aminy izay rehetraanananareo sy ny maha-ianareo anareo”.

2. Manendre zatovovavy hanolotra ireo tantara, soratra masina na teny nindramina izay nofidinao.

SOSO-KEVITRA HAMELABELARANA NY LESONA Fampidirana

Omeo ireto ohatra manaraka momba ny fomba nanaovan’ ny tanora sorona mba hanam-piana ny hafa ireto, na mampiasà ohatra fanaovan-tsorona nataon’ ny tanora fantatrao.

1. Nanolo-tena i Janice ho zokiben’ i Connie, zazavavy kely valo taona, izay matin’ nyhomamiadana ny rainy. Nanokana ora roa isan-kerinandro i Janice hiarahana amin’i Connie.

2. Ny Zatovovavy sy Zatovolahy miara-mivondrona ao amin’ ny paroasy dia nanokanatolakandro iray tamin’ ny fanampiana tompon-tanàna midadasika iray, izay tsy mpi-kambana ao amin’ ny fiangonana, mba hanadio sy hanamboatra ny simba amin’ nytrano fanobiany.

3. Niantso an-tariby an’ i Mary i Juanita ary nilaza taminy fa amin’ ny fotoana hafa indrayizy ireo vao tokony handehandeha. Narary ny zandriny lahy ary tsy maintsy nijanonatao an-trano izy nandritra ny fotoana nandehanan’ ny ray aman-dreniny tany amin’ ny tempoly.

• Tamin’ ny toe-javatra inona no niangaviana anao hanome ny fotoanao sy ny talentanaohanampiana olon-kafa?

Hazavao fa ity lesona ity dia manazava ny lalàn’ ny fanaovana sorona sy ny fanokananaizay nambaran’ny Tompo tamin’ ny alalan’ ny mpaminaniny. Hazavao fa ny fahafahan’ny zatovovavy hahatakatra sy hiaina ireo lalàna ireo dia hanana akony lehibe amin’ nyfahasambaran’ ny fiainany eto sy ho mandrakizay.

Lalàna selestialy ny fanaovana sorona sy ny fanokanana

Fanadihadiana • Ahoana no hamaritanareo ny manao sorona? (Mahafoy zavatra lafo vidy ho an’ ny zavatraizay tsara, mendrika kokoa.)

• Inona ny dikan’ ny manokana aminao? (Manamasina; manolo-tena na manolotra ho an’ ny . . . .)

Hazavao fa lalàna mandrakizay ny fanokanana sy ny fanaovana sorona ary efa nomen’ny Tompo talohan’ ny nahariana ny tany.

Teny nindramina Toy izao no namaritan’ ny Loholona Bruce R. McConkie ireo lalàna ireo:

“Mifamatotra tsy hay sarahina ny fanaovana sorona sy ny fanokanana. Ny lalàn’ ny fano-kanana dia ny fanokanantsika ny fotoantsika, ny talentantsika, ary ny vola sy ny fananan-tsika ho an’ ny tanjon’ ny fiangonana; ny toy izany dia tokony hisy amin’ ny sehatra ilanaazy mba hampandrosoana izay katsahin’ ny Tompo hanasoavana ny tany.

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Fanontanianahosaintsainina

Fandinihanatrangan-javatra

Lesona

28

Page 128: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

119

“Ny lalàn’ ny fanaovana sorona dia ny fahavononantsika hahafoy ny rehetra izay ana-nantsika ho an’ ny fitsinjovana ny marina—ny toetsika sy ny lazantsika; ny voninahitsikasy ny fiderantsika; ny fahafantaran’ ny olona ny anarantsika amin’ ny tsara; ny tranontsi-ka, ny tanintsika ary ny fianakaviantsika: ny zavatra rehetra, na dia ny aintsika aza rahailaina” (ao amin’ ny Conference Report, Apr. 1975, p. 74; na Ensign, Mey 1975, p. 50).

Hazavao fa ny lalàn’ ny fanokanana sy ny fanaovana sorona dia nohazavain’ ny anjelytamin’ i Adama. Taorian’ ny nandroahana an’ i Adama sy i Eva hiala an’ i Edena, dianandidy ny Tompo fa tokony hanao sorona ny voalohan-teraka amin’ ny ondriny izy ireo ho Azy. Nankatò io didy io i Adama.

Asaovy vakin’ ny zatovovavy ny Mosesy 5:6–8.

• Inona no atao hoe tandindona? (Zavatra iray mitovy na milaza zavatra iray hafa.)

• Tandindon’inona ny sorona nataon’ i Adama? (Raha ilaina dia asaovy averin’ ny mpianatra vakina ny andininy faha-7.)

• Araka ny voalazan’ ny anjely, inona no tokony hataon’ i Adama amin’ ny anaran’ ny Zanaka? (Raha ilaina, dia avereno vakina ny andininy faha-8.)

Hazavao fa tsy ny fanaovana sorona ny biby eny amin’ ny alitara amin’ ny anaran’ nyZanaka, na ny mivavaka amin’ ny anaran’ ny Zanaka, na ny mandeha any am-piangona-na amin’ ny anaran’ ny Zanaka ihany no nasain’ ny anjely hataon’ i Adama. Nilazatamin’ i Adama izy mba “hanao izay rehetra ataony amin’ny anaran’ny zanaka.”

• Ahoana no ahafahantsika manao ny zavatra rehetra amin’ ny anaran’ ny Zanaka?

• Ahoana no manampy antsika hiaina ny lalàn’ ny fanokanana ny fanaovana ny zavatrarehetra amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy?

Nampianatra i Jesoa Kristy fa aorian’ ny fitsanganany amin’ ny maty, dia tokony ho hafaamin’ ireo natolotr’ i Adama ireo sorona.

Vakio ny 3 Nefia 9:19–20.

• Inona ny dikan’ ny hoe manolotra “fo torotoro sy fanahy manenina” ho an’ ny Tompo?(Mibebaka marina sy maniry amim-panetren-tena ny hankatò ny sitrapon’ ny Ray anyan-danitra.)

Asaovy vakin’ ny zatovovavy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:22.

Hazavao fa lalàna selestialy ny lalàn’ ny fanaovana sorona sy ny fanokanana; raha te hahazo ny voninahitra selestialy isika dia tsy maintsy miaina ireo lalàna ireo.

Mitaky zavatra maro amintsika tsirairay avy ny lalàn’ ny fanaovana sorona sy ny fanoka-nana. Takiany indraindray ny hanaovantsika sorona ny faniriantsika, ny herintsika, nyfotoantsika, na ny zavatra ananantsika hanorenana ny fanjakan’ ny Ray et˜ an-tany. Misyfotoana mahasarotra ny miaina ireo lalàna ireo. Rehefa mitombo anefa ny fahatakarantsi-ka sy ny finoantsika, dia manomboka mahatsapa ireo fitahiana mahavariana natao ho an’ny mpankatò isika.

Teny nindramina Nampianatra i Joseph Smith hoe: “Ny fivavahana izay tsy mitaky ny fanaovana soronany zavatra rehetra dia tsy hanana na oviana na oviana hery ampy hamokarana finoanailaina amin’ ny fiainana sy ny famonjena; noho izany, hatrany am-piandohan’ ny olombe-lona, dia tsy mety ho azo na oviana na oviana tsy amin’ ny fanaovana sorona ny zavatryny tany rehetra ny finoana ilaina amin’ ny fananana fiainana sy ny famonjena. Amin’ nyalalan’ io fanaovana sorona io, ary io ihany, no nanendren’ Andriamanitra ny olona izaytokony hanana fiainana mandrakizay.” (Lectures on Faith, nangonin’ i N. B. Lundwall[Salt Lake City: N. B. Lundwall, n.d.], p. 58).

Mitondra fifaliana amin’ ny fiainantsika ny fanaovana sorona sy ny fanokanana

Tantara Tantarao sy diniho miaraka ity tantara nataon’ ny filohan’ ny Foibe fanofanana misiôneratao Provo, Utah, manaraka ity:

“Mieritreritra tovolahy iray tany amin’ ny Foibe fanofanana misiônera aho, herintaona sytapany lasa izay, niomana hanao asa fitoriana tany Japana izy io. Nifanaraka tamin’ nybirao mpikarakara tapakilan’ ny BYU izahay ny mba hanatrehan’ ny misiônera rehetralalao baolina famaranana eo an-toerana. Nahazo tapakila izy ireo, izay voalamina avokoa

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Famakafakanasoratra masina

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Page 129: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

120

fa eny amin’ ny lafiny avaratry ny kianja ny toerana ho anay. . . ary nilazanay ireo misiô-nera fa hahazo lalana avokoa izy ireo handeha amin’ ny lalao baolina ny ampitso tola-kandro. Nanatona ahy io tovolahy io ary nanontany hoe: “Ry Filoha Pinegar, tsy maintsymandeha any amin’ ilay lalao baolina io ve aho rahampitso?’

“Noheveriko fa narary izy. Hoy aho: ‘Tsy te hijery io lalao baolina io angaha ianao,’

Hoy izy: “ E! Raha mba fantatrao mantsy ny faniriako mafy hijery io lalao io. Nilalao bao-lina nandritra ny roa taona aho tany amin’ny ambaratonga ambony. Rehefa nankat˜ amin’ny FFM (Foibe fanofanana misiônera) anefa aho dia nanao fanekena tamin’ ny tenako sytamin’ ny Tompo fa hianarako avokoa ireo lesona valo ampianarin’ ny misiônera amin’ nyteny Japone . Raha mandeha amin’ ilay lalao baolina aho rahampitso, dia tsy ho tratrakony tanjoko?’

“Ary dia nomena lalana izy hijanona sy hianatra.

“Hitako izy herinandro vitsivitsy tat˜ aoriana. Raha ny marina dia teo amin’ny dimyandro talohan’ny nandehananay tany amin’ ny saha fitoriana. Nanatona ahy tao amin’ ny“toerana fisakafoana” izy ary nilaza hoe: “Ry Filoha Pinegar, tadidinao ve aho? Izaho ilaymisiônera izay tsy nandeha nijery baolina, noho izaho te hianatra ireo lesona. Androanyaho dia hanao ny lesona fahavalo manoloana ny mpampianatra. Hoy izy nanohy: ‘tianaove ny handre izay nitranga tamiko tamin’ ilay andro nijanonako teto ka tsy nandehanakotany amin’ ilay lalao baolina? Hatrizay dia andalana roapolo ihany no vitako nianaranatsianjery amin’ ny teny japone ao anatin’ ny iray andro; tamin’ io andro io, ilay andronataoko sorona— ary tsapako fa sorona izany—dia andalana 120 no vitako tsianjery.Hatramin’ io fotoana io, dia nihanandroso hatrany aho ary ankehitriny dia hanome nylesona fahavalo aho’” (Max L. Pinegar, “Serious about the Things to Be Done” tao amin’ny Speeches of the Year, 1978 [Provo: Brigham Young University Press, 1979], p. 55–56).

• Ahoana no nitondran’ ny sorona nataon’ io tovolahy io fifaliana sy fitahiana tamin’ ny fiainany?

Tantara Tantarao sy diniho miaraka ity tantara manaraka momba ny fomba nitahiana ny mpikambana ao amin’ ny Fiangonana noho ny sorona nataony ity.

Ireo mpikambana taloha tao amin’ ny Fiangonana dia noroahin’ ireo andian’ olona romo-tra niala tao Nauvoo, Illinois, ny taona 1846. Olomasina an-jatony maro anefa no tsy afakaniainga niaraka tamin’ ny namany. Nahantra loatra izy ireo ka tsy afa-nividy izay nilainyho amin’ ilay dia, na narary mafy. Taoriana kely tamin’ io taona io anefa, dia noteren’ ireoandian’ olona hiala tao indray izy ireo. Tsy nanan-javatra firy izy ireo ary dia nananganalasy izay vitany tamin’ ny andro mangatsiaka sy manorana, tsy misy sakafo, fitafy, na fialofana sahaza. Maro ny narary ary tena tsy nanana izay nilaina amin’ ny fiainana.

Tamin’ io fotoan’ ny fandroahana lehibe io, dia nandefa fahagagana ho an’ ireoOlomasina nijaly Andriamanitra. Tamina kilometatra maro nanaraka ny renirano izaynilasian’ izy ireo, dia vorona marobe no nilatsaka tao amin’ ny lasy. Toa reraka ireo voro-na, ary maro no nilatsaka nivantana tao amin’ ny lay ka na ny ankizy aza dia afaka nakaazy ireny tamin’ ny tanana. Vorona an’ arivony no azo, ary nofahanana io sakafo matsiroio ny olona marary sy mahantra.

Nisy fahagagana iray hafa koa taoriana kelin’ io. Nandre ny nanjo ireo Olomasina ireo iBrigham Young ary nanangana avy hatrany andiana mpamonjy hitondra lay sy vatsy hoazy ireo ary hitondra azy ireo hanatona ireo mpikambana hafa ao amin’ ny Fiangonana.Maro ny olona nanolo-tena hanampy tamin’ ny alalan’ ny sorona lehibe nataony mano-kana, ary tsy ela dia nahita fialofana teo anivon’ ny namany ireo Olomasina voaroaka.(Jereo B. H. Roberts, A Comprehensive History of the Church, 3:134–36.)

• Inona no sorona nataon’ ireo mpikambana fahiny tao amin’ ny Fiangonana ireo?Ahoana no nitahian’ ny Tompo azy ireo?

Fidio avy amin’ ireto tantara manaraka ireto izay hitanao fa sahaza ny kilasinao. Aorian’ny famakiana mafy ny tantara tsirairay, iangavio ny mpianatra hanadihady ireto fanonta-niana manaraka ireto. (Aoka ho soratana eny amin’ ny solaitrabe ireo fanontaniana alo-han’ ny hanombohana ny lesona.)

• Inona no mety ho tsapan’ ny zatovovavy amin’ ny toe-javatra toy itony?

Fandinihanatrangan-javatra

Page 130: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

121

• Ahoana no mety hanaovany sorona?

• Inona no mety ho akon’ ny sorona nataony eo aminy sy eo amin’ ny hafa?

Ampio ny zatovovavy hahatakatra fa ny fiezahany hiaina ny lalàn’ ny fanokanana sy nyfanaovana sorona dia hanampy azy ireo hiatrika amin’ ny fomba tsy misy fitiavan-tenasy mamokatra ny faneriterena, ny fifanjevoana ary ny tsy faharetana, amin’ ny alalan’ ny fotoana, talenta ary vola.

1. Olona niova fo ao amin’ ny Fiangonana i Mary. Tsy ho ela dia hanambady izy ary tehanambady any amin’ ny tempoly. Tsy mpikambana ao amin’ ny Fiangonana ny rayaman-dreniny ary namporisika azy hanambady any amin’ ny toerana izay ahafahan’izy ireo manatrika. Nampaingainy ho tia tena izy tamin’ ny tsy nanarahany ny fanirian’ izy ireo.

2. Mpiandraikitra i Carol any am-pianarana. Rehefa lasa ny tompon-daka tamin’ ny fifaninam-paritra ny sekoly, dia voasa tamin’ ny lanona lehibe ho fankalazana izanyizy. Namporisika azy hanao izay hataon’ izy ireo ny naman’ i Carol amin’ ity indraymitoraka ity monja, rehefa naroso ny zava-pisotro misy alikaola.

3. Nony samy fito ambin’ ny folo taona i Jeanne sy i Mike dia nanomboka niaraka.Nanjary sahirana ny amin’ ny fihetseham-pony avy izy ireo satria samy tia ny hanaovan’ i Mike asa fitoriana.

4. Taorian’ ny nahazoany diplaoma avy amin’ ny oniversite, dia nanana fahafahana lehi-be handeha any ivelany i Elizabeth, fahafahana indray mandeha eo amin’ ny fiainana.Nantsoin’ ny evekany i Elizabeth handeha hanao asa fitoriana.

5. Tia ski i Amy, kanefa tsy nisy oram-panala loatra tamin’ ity ririnina ity. Indray Alahadymaraina, nantsoin’ i John izy ary nasainy handeha any amin’ ny toerana ahafahana manaoski tsy dia lavitra loatra, izay nisy oram-panala vaovao nahatratra 30 santimetatra..

6. Vehivavy lehibe mipetraka irery Ramatoa Mahler. Afaka miresaka tsy an-kijanonamandritra ny adin’ ny iray izy raha mahita mpihaino. Nifanena tamin’ i Jane tenyamin’ ny arabe izy ary nanomboka niresaka momba ny zanaky ny iraitampo aminy any Hamburg. Te hody hisakafo i Jane.

7. Nanana fotoana tamin’ ny eveka i Julie ny hariva tamin’ ny fito sy folo ary tonga alohatamin’ ny fito. Mbola nanao tafa sy dinika tamin’ ny olon-kafa ny eveka. Mbola niandryny hihaona aminy i Julie tamin’ ny valo ora.

8. Tian’i Catherine ny mozika, ny mandihy, ny ankizy vavy kely, ary ny voninkazo mavokely. Nantsoin’ ny eveka izy hampianatra kilasina Kilonga izay saika ankizy lahyavokoa ny tao.

9. Nandany ora valo any am-pianarana sy ora efatra hiasana amin’ ny magazay iray i Diane.Rehefa tonga any an-trano izy dia misakafo, manasa lovia sy mianatra nandritra ny adin’ny roa, ary misolo akanjo hatory. Nanopy maso teny amin’ ny soratra masiny izy izaynipetraka teo amin’ ny latabany. Te handalina azy ireny izy, kanefa dia trotraka tokoa sy te hatory.

Famaranana

Hazavao fa tamin’ ny teniny tamin’ ny Nefita, dia niresaka ny lalàn’ ny fanaovana soronasy ny fanokanana i Benjamina mpanjaka. Nofintininy tao anatin’ ny fehezan-teny irayireo lalàna ireo: “Raiki-trosa mandrakizay amin’ ny rainareo any an-danitra ianareo mbahamerina Aminy izay rehetra anananareo sy ny maha-ianareo anareo” (Môsià 2:34).

Taratasy hozaraina Omeo karatra misy ilay teny nindramina etsy ambony voasoratra eo aminy ny zatovovavytsirairay. Lazao izy hametraka izany amin’ ny toerana talaky ny masony mba hahatsiahi-vany izany isan’ andro hitandremany ny lalàn’ ny fanokanana sy ny fanaovana sorona

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Lesona 28

Page 131: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

122

Ny fiovam-po

TANJONA Hahatakatra sy hikatsaka fiovam-po ny zatovovavy tsirairay.

FANOMANANA 1. Miomàna hitantara na asaovy ambaran’ ny zatovovavy iray ny tantaran’ ny fombaniainan’ i Almà ny fiovam-po. Hita ao amin’ ny Môsià 27 sy Almà 36 ilay tantara.

2. Manendre zatovovavy hanolotra ireo tantara, soratra masina na teny nindramina izay nofidinao. .

SOSO-KEVITRA HAMELABELARANA NY LESONA Ilaina ny fiovam-po mba hahatongavana ho tahaka an’ Andriamanitra

Fanadihadiana Mba hampidirana ny lesona, dia omeo ny zatovovavy ireto fanontaniana manaraka ireto:

• Moa ve ianao mahafantatra olona niova fo tao amin’ ny Fiangonana, izay vita batisaary nanjary mpikambana matanjaka sy mazoto? Moa ve ianao nahafantatra olona niovafo tao amin’ ny Fiangonana, izay vita batisa ary nanjary nangatsiatsiaka tat˜ aoriana?

• Moa ve ianao nahafantatra olona izay efa mpikambana ao amin’ ny fiangonana nandritrany fiainany rehetra ary tsy mavitrika amin’ ny fiaina ny didy sy ny fanompoana ny Tompo?

Hazavao fa ireo olona rehetra ireo dia efa samy vita batisa ary mpikambana ao amin’ nyFiangonana.

• Inona no tsy mampitovy ny olona izay manompo ny Tompo amim-kafanam-po sy fitiavana amin’ ireo izay nanjary nangatsiatsiaka na tsy miraika amin’ ny Fiangonana?Avelao ny zatovovavy hifanakalo hevitra?

Hazavao fa manana fiantsoana ny zava-dehibe izay mampisy fahasamihafana eo amin’ny mpikambana mavitrika sy ireo tsy miraika ao amin’ ny Fiangonana ny soratra masina.Io toetra io dia atao hoe ny fiovam-po.

Hazavao fa ny fiovam-po dia lasa mari-pamantarana ny fisainana sy fietanam-po sasanytena manan-danja. Iangavio ny zatovovavy hitanisa ny sasantsasany amin’ izany. Ho aoamin’ ny fitanisana nataony ny fitiavana, halemem-panahy, hafanam-po, fitokiana aryfaharisihana.

• Rehefa miresaka momba ny fiovam-po ny soratra masina, inona no karazana fiovanaheverinareo fa resahiny? Avelao ny zatovovavy hifanakalo hevitra.

Manàna toky fa takany fa ny fiovana eo amin’ ny fiainan’ ilay olona manontolo no fio-vam-po— ny fisainany, ny fihetseham-pony, ny faniriany ary ny fihetsiny, ny zavatrarehetra izay asehon’ ny fo. Omeny ny Tompo ny fitiavany, ny hafanam-pony, ny fahaizany ary ny talentany, ary ny hanompo ny Tompo ihany no iriny.

Io fiovana io no tian’ ny Tompo ho lazaina raha nandidy Izy hoe: “Aoka ianareo hanom-po [ny Tompo] amin’ ny fonareo rehetra, ny fahafahanareo rehetra, ny sainareo rehetraary ny herinareo rehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:2)

Asaovy vakin’ ny zatovovavy ny Môsià 3:19.

• Inona no lazain’ io soratra masina io amintsika momba ny fananana fiovam-po? Avelaony zatovovavy hifanakalo hevitra.

Hazavao fa manazava ny fiovana izay mety hitranga amin’ ny olona iray io soratra masi-na io. Ny olon’ izao tontolo izao dia olona misahirana kokoa amin’ ny zavatr’ izao tontoloizao noho ny amin’ Andriamanitra. Raha manao ny zavatra voalaza ao amin’io andininyio isika, toy ny fananana finoana amin’ ny Sorompanavotana ary malemy fanahy symanetry tena, dia ho tonga olomasina.

Famakafakanasoratra masina

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Lesona

29

Page 132: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

123

• Nahoana isika no mihevitra fa tsy maintsy miova ny fon’ ny olona vao tonga tahaka an’ Andriamanitra?

Asehoy fa raha tsy ny fiainan’ ny olona iray manontolo no atokany ho an’ ny Tompo, dia tsy hananany ny finoana, ny fitiavana ary ny faharisihana ho mendrika ny fanjakanaselestialy. Dingana iray ilaina amin’ ny fahatongavana ho tahaka an’ Andriamanitra nyfiovam-po.

Mampianatra antsika ny fomba ahafahan’ ny fontsika miova ny soratra masina

Hazavao fa mirakitra ny lahateny izay nomen’ i Benjamina mpanjaka ny vahoakany nybokin’ i Môsià, rehefa fantany fa ho kely sisa dia ho faty izy. Nampianariny ny mombany Sorompanavotana sy ny ilan’ izy ireo ny vahoakany hibebaka. Nahery vaika io lahate-niny io hany ka ny olona rehetra izay nandre izany dia niova fo. Amin’ ny fandalinanany zavatra izay nolazainy azy ireo sy ny nasetrin’ ny olona izany, dia afaka mahafantatraizay tsy maintsy ataontsika isika raha te hanana fiovam-po.

Asaovy vakin’ ny zatovovavy ny Môsià 4:1–2.

• Inona ilay faniriana lehibe ao amin’ ireo olona ireo, rehefa avy nandre ny tenin’ iBenjamina mpanjaka izy ireo? (Naniry ny hibebaka sy ho voavela heloka amin’ ny alalan’ny sorompanavotan’ i Kristy izy ireo.)

Asaovy vakin’ ny zatovovavy ny zavatra nolazain’ i Benjamina mpanjaka rehefa hitanyfa nibebaka ny olona, hita ao amin’ ny Môsià 4:6–7 izany.

Inona no nolazain’ i Benjamina mpanjaka fa tokony hataon’ ny olona mba handraisanyfamonjena? (Hahafantatra an’ Andriamanitra sy ny Sorompanavotana, hitoky amin’ nyTompo, ho mazoto amin’ ny fitandremana ny didy ary hitozo ho mahatoky mandra-pahatapitry ny androny).

Nanontany ny olona i Benjamina mpanjaka raha nino ny teniny sy raha hitoky amin’ nyTompo ary ho mahatoky amin’ ny fiainany rehetra izy ireo. Asaovy vakin’ ny zatovova-vy ny valin-tenin’ ny olona ao amin’ ny Môsià 5:2, 5. Asehoy fa ankehitriny ny tena faniriana nananan’ ireo olona ireo dia ny hanao fanekempihavanana hanompo an’Andriamanitra mandritra ny androm- piainany.

Famerenana Avereno jerena miaraka amin’ ny zatovovavy ny dingana nandalovan’ ireo olona ireomba hananany fo sy fiainana miova:

1. Nianatra ny momba an’ i Kristy sy ny didiny avy amin’ i Benjamina mpanjaka izy ireo.

2. Nanana finoana an’ i Kristy, natoky ny herin’ ny sorompanavotana nataony ary naniryny hibebaka ny ota vitany izy ireo.

3. Voavela ny helok’ izy ireo tamin’ ny alalan’ ny famindram-pon’ ny Tompo, ary naha-tsapa fiadanana sy fiafaliana izy ireo.

4. Nanao fanekempihavanana izy ireo fa hitandrina ny didy sy hanao ny tsara amin’ny andro sisa hiainany.

Asehoy fa ireo dingana ireo ihany koa no hodiavintsika mba hiovantsika fo sy fiainana,ka amin’ izay dia hiaina mifanaraka amin’ ny Tompo isika.

Mety hitranga haingana na miandalana ny fiovam-po

Hazavao fa ny vahoakan’ i Benjamina mpanjaka dia nanana fo sy fiainana niova fainga-na, kanefa ho an’ ny olona maro, dia miandalana kokoa ny fitrangan’ izany. Mandalo ireodingana mitovy amin’ izay nandalovan’ ny vahoakan’ i Benjamina mpanjaka ireo ihanyizy ireo, saingy mandritra ny androm-piainany no anaovany izany.

• Efa nianatra ny momba ny sorompanavotana sy ny didin’ i Kristy ve ianareo? Taiza no nianaranareo ireo zavatra ireo?

• Efa mba nisy nibebaka tamin’ ny ota vita ve ianareo ary nahatsapa fa voavela helokateo amin’ ny Tompo? Anontanio ny zatovovavy raha te hizara ny fahatsapana nanananytamin’ izy ireo nahatsapa fa voavela heloka.

Famelabelaranaataon’ nympampianatra syfanadihadiana

Famakafakanasoratra masina

Page 133: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

124

• Efa mba naniry ny hanao zavatra izay fantatrareo fa ratsy ve ianareo, kanefa tsy natao-nareo izany satria te hankatò ny Tompo ianareo? Avereno angatahina indray ny zatovo-vavy hizara ny zava-niainany. Azonao tantaraina ny zava-niainanao iray, raha tianao.

Hazavao fa raha efa nanao ireo zavatra ireo ny zatovovavy dia nanomboka nahafantatra ny dikan’ ny hoe miova fo. Asehoy fa tokony hiezaka hanana finoana ny sorompanavotanabebe kokoa sy hankatò tanteraka kokoa ny didy izy ireo. Rehefa izany, toy ny vahoakan’ iBenjamina mpanjaka, dia ho hitany tsikelikely fa miala aminy ny faniriana hanao ratsy. Nyfaniriany feno dia ny hankatò ny Tompo sy ny hanompo ny mpiara-belona aminy.

Tantarao, na asaovy ambaran’ ny zatovovavy iray ny tantaran’ ny fomba niainan’ i Almàny fiovam-po. Ao amin’ ny Môsià 27 sy Almà 36 no ahitana ny tantara.

Rehefa vita ny fitantarana, dia asaovy vakin’ ny zatovovavy ny Almà 36:18–21. Asehoy fahitan’ i Almà samirery fa afaka mitondra fifaliana lehibe ny fibebahana sy ny fanoloran-tena.

Mijoroa ho vavolombelona fa mitondra fifaliana tena lehibe eo amin’ ity fiainana ity ny fibebahana sy ny fankatoavana ny didy.

Famaranana

Teny nindramina Hazavao fa antsoina hoe ateraka indray ny fiovam-po ao amin’ ny soratra masina.Nilazalaza ny zavatra niainany iray izay nanampy azy hahatakatra ny maha-zava-dehibeny fananana fiovam-po sy fiainana ny Filoha David O. Mckay:

“Resin-tory aho ary nahita zavatra faran’ izay lalina tanaty fahitana. Teny lavitra teny,dia nahita tanàna fotsy tsara tarehy aho. Na dia lavitra aza izany, dia toa mbola hitako famitondra voa mampitelin-drora ireo hazo, miloko mahafinaritra ny ravina eny amin’ nykirihitr’ ala, mameno ny toerana rehetra ireo voninkazo tonga lafatra. Toa mandefa alokamiloko mahasondriana ny lanitra manga eny ambony. Ary dia nahita olona marobe koaaho manatona ny tanàna, misalotra akanjo fotsy sy saron-doha fotsy. Tampoka teo diatoa nifantoka tany amin’ ny Mpitarika azy ireo ny saiko, ary na dia ny tarehiny sy nyvatany mihorirana ihany aza no hitako, tonga dia fantatro Izy fa ny Mpamonjy ahy! Nyfihodirany sy ny famirapiratan’ ny tavany dia hita fa feno voninahitra! Misy fiadananaizay toa lalina ao Aminy—fatratra izany!

“Ilay tanàna, raha azoko tsara, dia Azy. Ilay Tanàna Mandrakizay; ary ireo olona manara-ka Azy dia hitoetra ao amim-piadanana sy fahasambarana mandrakizay.

“Saingy iza ireo?

“Raha nahafantatra ny eritreritro ny Mpamonjy, dia namaly Izy tamin’ ny fanondroanaantsasa-paribolana izay nitranga teo ambonin’ izy ireo rehefa izany, ary voasoratra teoamin’ izany tamin’ ny volamena ny teny hoe:

“ ‘Izy Ireo no Izay Efa Nandresy an’ Izao Tontolo Izao—Izay Tena Nateraka Indray!’ “

(Cherished Experiences from the Writings of President David O. MacKay, nangonin’ i Clare Middlemiss [Salt Lake City: Deseret Book Co., 1965], p. 102).

Fampiharana ny lesona

Ilazao ny zatovovavy hamaky ny Môsià toko faha-2 ka hatramin’ ny faha-5 mba hahafahanymahatakatra bebe kokoa ny dikan’ ny fiovam-po.

Fijoroana hovavolombelona

Tantara ao amin’ny soratra masina

Page 134: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

125

Ny fandalinana ny soratra masina

TANJONA Hianatra ny fomba hahatonga ny soratra masina hisy dikany eo amin’ ny fiainany ny zatovovavy tsirairay.

FANOMANANA 1. Manendre zatovovavy hanolotra ireo tantara, soratra masina na teny nindramina izaynofidinao.

2. Raha misy eo amin’ ny faritra misy anao, dia alefaso ny horonan-tsary sy feo “Flood the Earth with the Book of Mormon,” (53277).

SOSO-KEVITRA HAMELABELARANA NY LESONA Afaka mitarika antsika sy manampy antsika hiatrika ny olana isan’ andro ny soratra

masina

Tantara Ampidiro amin’ ny fitantarana ity zava-niainan’ ny Filoha Harold B. Lee ity ny lesona:

“Taona vitsivitsy lasa izay, dia nitantara ny zava-niainany fony izy nandeha lakana nitetynosin-dranomasina maro ho any Finlandy ny filohan’ ny misiona soisa. Raha nijery nylakana nidina tao anaty ranomasina izy, dia tsikariny ny fandeha mikivilavilan’ ilay mpa-namory teny amin’ ireo nosin-dranomasina. Nanontany tena izy hoe: Nahoana izahay notsy nentiny tamin’ ir˜ nosin-dranomasina mahaliana kokoa ir˜ fa amin’ ity toerana man-gingina eto ity?

“Hoy izy: “Raha iny aho nipetraka teo nijery sy nandinika iny, dia tsikaritro ny fivohymiaka-midina ao anaty rano teo anoloana. Rehefa izany, dia fantatro fa misy olona nano-ro ny lalana azo antoka ao amin’ ireto rano ireto ka nametraka ny torolalana hitarikaanay tsy ho tra-doza.’

“Rehefa izany dia nisintona ity lesona ity izy: ‘Ary toy izany no nanoritan’ ny sainamatsilon’ Andriamanitra ny lalana tena azo antoka ho anay, ary izany lalana azo antokaizany dia voasoratra ao amin’ ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy, toy ny nitarihana tsy nisytomika ny sambonay namakivaky ireny ranomasina mampidi-doza ireny nankamin’ nyazo antoka tany ho any” (“Find the answers in the Scriptures,” Ensign, Des. 1972, p. 3).

Fanadihadiana Iangavio ny zatovovavy hieritreritra ny fomba ahafahan’ ny soratra masina mitarika nyfiainany amin’ ny lalana azo antoka sy mahitsy miverina any amin’ ny Rainy any an-danitra. Tarito ny fanadihadiana mba hamoaka ireto manaraka ireto:

1. Manampy antsika hahafantatra ny Raintsika any an-danitra sy ny Zanany Jesoa Kristyny soratra masina (jereo Jaona 17:3).

2. Amin’ ny famakiana ny soratra masina, dia afaka mahazo fijoroana ho vavolombelonany amin’ i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany isika.

3. Afaka misintona lesona avy amin’ ny ohatra nasehon’ i Kristy isika. Raha ampy nyfotoana, dia iangavio ny zatovovavy hitadidy ny sasany tamin’ ireo zava-nitranga teoamin’ ny fiainan’ i Jesoa Kristy, izay nanjary ohatra ho azy ireo.)

4. Afaka misintona lesona avy amin’ ny ohatra asehon’ ireo mpaminany sy ireo olonavoasoratra ao amin’ ny soratra masina isika.

5. Mampianatra antsika ny soratra masina amin’ ny ankapobeny, fa tokony ho fantatsikasy ataontsika izay hiverenana eo anatrehan’ ny Raintsika any an-danitra (jereo 2 Timoty3:15–16; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:16).

6. Manome antsika aingam-panahy sy fankaherezana hiatrehana ny olana eo amin’ nyfiainana andavanandro ny soratra masina.

Lesona

30

Page 135: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

126

• Hainareo ve ny fomba fitadiavana ao amin’ ny soratra masina ny valiny amin’ ireozava-manahirana anareo isan’andro? Ahoana no fomba nampiasanareo ny soratra masina hanampy anareo hamaha ny olanareo?

• Moa ve ianareo manana soratra masina ankafizina izay efa nanampy anareo hiatrikaireo olana teo amin’ ny fiainanareo?

Hazavao fa ho fampianarana, dia andeha hianatra ny fomba fitadiavana valiny ao amin’ny soratra masina ianareo.

Omeo ny mpianatra ireto fandalinana toe-javatra manaraka ireto. Aorian’ ny fandalinana ny toe-javatra tsirairay, dia omeo minitra vitsivitsy izy ireo hitady ny valiny ao amin’ nysoratra masina izay hanampy azy hamaha ny olana. Azonao omena torolalana fohy ny kila-sy, raha ilaina, amin’ ny fomba fampiasana ny Topical Guide sy ny Fanoroana mba hahitana ny soratra masina azo ampiharina. Asaovy atolotry ny zatovovavy ny kilasy izay fantany.Azonao zarazaraina hiasa anaty tarika izy ireo amin’ ity fampiasana ity, raha tianao.

Fandalinana toe-javatra 1

Niady mafy tamim-pinoana tao amin’ ny herin’ ny vavaka i Shauna. Tsapany fa tsy naha-zo valiny izy rehefa nivavaka, ary nanomboka natoky ny finoana sy ny zavatra ninoanytamin’ ny andron’ ny fahazazany izy. Niangavy azy ny mpanoro hevitra azy ao amin’ nyZatovovavy mba hanangona teny mikasika ny vavaka anaty fitanana an-tsoratra, ka izayhitany ao amin’ ny soratra masina ihany no ampiasaina. Mitadiava soratra masina izayheverinareo fa hanampy azy hamerina ny finoana ananany ny amin’ ny vavaka.

Fandalinana toe-javatra 2

Nahatsapa i Marie fa matetika dia matetika i Layne, anadahiny efatra ambin’ ny folo taona, no mandainga amin’ ny ray aman-dreniny momba ny toerana nalehany sy ny zava-tra nataony. Niezaka ny niresaka momba izany taminy i Marie nefa dia nahatezitra azyizany. Nanizingizina izy fa tsy hampaninona ny lainga keliny. Te hiaraka amin’ ny namanymaharitraritra fotsiny izy. Nanendry an’ i Marie hanome lesona ao amin’ ny takarivan’ nympianakavy ny rainy ny Alatsinainy manaraka. Nanapa-kevitra ny hanome lesona mombany maha-zava-dehibe ny fahamarinan-toetra izy. Mitadiava soratra masina izay metyhanampy an’ i Marie hampianatra an’ i Layne momba ny lanjan’ ny fahamarinan-toetra.

Fandalinana toe-javatra 3

Vao matin’ ny homamiadana ny renin’ i Sarah. Vaky fo i Sarah. Nahoana no namelaizany hitranga amin’ ny reniny tsara tarehy ny Tompo? Tsara fanahy loatra izy no tanorakoa. Nivavaka mafy ny fianakaviana ny mba hahasitrana azy, ary nanampy ny rainyhametra-tanana tamin-dreniny ny eveka. Amin’ ny fampiasana ny teny fanalahidy fahafa-tesana sy fitsanganana amin’ ny maty, inona ny soratra masina mety ho hitanareo hanka-herezana an’ i Sarah?

Azontsika atao ny manome lanja kokoa ny soratra masina eo amin’ ny fiainantsika

Hazavao fa misy fomba maro azontsika andalinana ny soratra masina. Fomba iray ihanyny fitadiavana valiny ho an’ ny olana manokana. Iangavio ny zatovovavy hanolotrafomba fandalinana ny soratra masina. Azonao soratana eny amin’ ny solaitrabe ny valin-teniny, raha tianao. Mety ho amin’ ireto manaraka ireto ny valin-teny:

1. Azontsika vakina manomboka amin’ ny voalohany izany ka hatramin’ ny farany.

2. Azontsika ianarana araka ny lohahevitra izany, amin’ ny fampiasana ny boky fampia-narana Ny fitsipiky ny filazantsara ho taridalana ho antsika.

3. Azontsika atao ny manaraka ny seminera na ny fampianarana ny Sekoly Alahady.

4. Azontsika angonina sy atao tsianjery ny lisitra soratra masina manokana izay manam-py sy manentana antsika. (Ireo soratra masina natao hotadidina any amin’ ny seminerano fanombohana tsara hatao.)

5. Azontsika atao ny mitady valiny amin’ ny filana manokana na olana.

Hazavao fa tsy misy fomba fandalinana tonga lafatra. Tsy maintsy manapa-kevitra amin’izay fomba tsara ho azy ny zatovovavy tsirairay.

Fanadihadianaampiasanasolaitrabe

Fampiasanamikasika soratramasina syfandalinana toe-javatra iray

Page 136: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

127

• Inona matetika no zavatra misakana ny olona tsy hamaky soratra masina isan’ andro?

• Inona no azontsika atao handresena ireo sakana amin’ ny famakiana soratra masina ireo?

Teny nindramina Nandrisika antsika ny Loholona Carlos E. Asay hihevitra ny fotoana lanintsika handali-nana ny soratra masina ho fotoana anaovantsika tafa sy dinika manokana amin’ nyTompo. Hoy izy:

“Matahotra aho sao hikoropadropaka fotsiny ny maro isan’ andro vaky izao, handray nysoratra masina ho toy ny zavatra tsotra fotsiny. Miolomay isika hanaja ny fotoana nifanao-vana tamin’ ny manampahaizana, mpanaolalàna ary mpandraharaha. Mbola mihevitrakoa isika fa tsy maninona ny mangataka andro hiresahana amin’ Andriamanitra–manga-taka andro handalinana ny soratra masina. Tsy mahagaga raha mampivelatra fanahy osaisika ary tsy mahita ny lalan-kalehantsika eo amin’ ny fiainana. Ho tsara dia tsara tokoaraha voalamintsika sy natokantsika ny dimy ambin’ ny folo na roapolo minitra isan’ androhamakiana soratra masina Ny firesahana amin’ Andriamanitra toy izany dia hanampyantsika hahafantatra ny feony sy ho afaka handray fitarihana amin’ ny zavatra rehetraataontsika. Amin’ ny alalan’ ny soratra masina no tokony hahitantsika an’ Andriamanitra”(ao amin’ ny Conference Report, Okt. 1978, p. 79; na Ensign, Nôv. 1978, p. 53–54).

Fanadihadiana • Ahoana no hanampian’ ny fanarahana ny soso-kevitry ny Loholona Asay anareo hifanaraka kokoa amin’ ny Fanahy, rehefa mandalina soratra masina ianareo?

• Nahoana no zava-dehibe ny fanokanana fotoana raikitra ho an’ ny soratra masina?

• Nahoana no azo antoka kokoa fa tsy hahafa-po ny fandalinana soratra masina tsindraindray noho ny fandalinana soratra masina tsy tapaka?

Tantara Mba hanampiana ireo zatovovavy hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fandalinanasoratra masina an-tsitrapo, dia omeo ity tantara manaraka ity:

Niova fo tamin’ ny Fiangonana i Sarah Pea Rich ny taona 1835, fony izy fito ambin’ ny folotaona. Tao amin’ ny tananan’ i Illinois izy sy ny fianakaviany no nipetraka, ary nisy misiô-nera Mormôna roa tonga nitory tao amin’ ny faritra nisy azy. Notantarain’ izy ireo tamin’-ny fianakaviany sy ny mpifanolo-bodirindrina taminy ny momba ny Mpaminany JosephSmith sy ny momba ny fandikana ny Bokin’ i Môrmôna avy amin’ ny takelaka volamena.

Tsy andrin’ i Sarah izay ahitana ny Bokin’ i Môrmôna ary nanontany ny anankiray tamin’ny misiônera izy raha azony jerena ilay boky. Hoy izy: “Nitokana tao amin’ ny efitranokoaho ary nandany ny takariva sisa sy saiky ny alina manontolo namakiana izany. Tenanahavariana ahy tokoa ny tao anatiny. Namela fahatsiarovana tsy hay hadinoina na ovinana oviana tao an-tsaiko ilay boky. Toa nivelatra nanoloana ny masoko izany nandritra nyherinandro maro tat˜ aoriana.”

Ny ampitso maraina, dia lasa nankany Kirtland, Ohio, ireo lehilahy, namela fahatsiarova-na tafalatsaka lalina tao an-tsain’ ny fianakaviana Pea. Nihevitra ilay fianakaviana fa tsyhahita intsony ireo misiônera ireo. Toy izao no nosoratan’ i Sarah: “ Enina herinandro tao-rian’ ny nandehanan’ izy ireo, dia nanonofy azy ireo aho. Nanonofy aho ny Zoma alina faho avy any an-tranonay izy ireo ny ampitso hariva, raha vao milentika ny masoandro, aryizy ireo no hiseho voalohany eny amin’ ny faran’ ny lalan-kely manoloana ny trano.”

Ny ampitso maraina, dia nikasa ny handeha ho any an-tanàna ny rainy sy ny reniny.Niangavy azy ireo hiverina aloha i Sarah, satria natoky tokoa izy fa ho avy ireo misiône-ra. Nihomehy ny rainy ary nilaza taminy fa adala angamba izy, satria any amin’ ny kilô-metatra an-jatony maro no misy ireo misiônera. Vetivety dia lasa nankany an-tanàna izysy ny renin’ i Sarah. I Sarah kosa na izany aza, dia nanomboka niomana amin’ ny faha-tongavan’ ireo misiônera.

Toy izao no voarakitr’ i Sarah: “Rehefa lasa ny andro, dia nanomboka nitazana azyireo matetika teny amin’ ny lalan-kely aho. Inona tokoa, raha vantany vao nilentika nymasoandro, dia indreto izy ireo nipoitra avy any, teo emin’ilay toerana nahitako azy voa-lohany tao amin’ny nofiko. Notsenaiko teo an-davarangana izy ireo ary noharahabaiko.‘Nandrasako ny fahatongavanareo’, hoy aho. ‘Fa nahoana’, hoy ny anankiray tamin’ izyireo, ‘renao angaha fa ho avy izahay?’ ‘Tsia’, hoy aho, ‘nanonofy aho omaly alina fa hoavy ianareo, ary natoky aho fa ho avy at˜ ianareo.’ Tsara izany’, hoy ny iray tamin’ ireomisiônera, ‘nanonofy izahay fa hiverina at˜ ary hanao batisa anareo sy hanangana fiangonana eto amin’ ity faritra ity.’ ”

Lesona 30

Page 137: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

128

Tafaverina avy any an-tanàna ny ray aman-drenin’ i Sarah ary dia talanjona nahita ireomisiônera tao an-trano. Nampianatra ilay fianakaviana sy ny mpifanolo-bodirindrinamaro ny misiônera. Nijanona izy ireo mandra-panangany fiangonana nisy mpikambanafitopolo, tao anatin’ izany i Sarah, ny rainy, ny reniny, ary ny rahavaviny. (Notantarainatao amin’ ny John Henry Evans, Charles Coulson Rich: Pioneer Builder of the West [NewYork: MacMillan Co., 1936], p. 38–40.)

• Inona no tsapan’ i Sarah momba ny Bokin’ i Môrmôna araka ny hevitrareo?

• Inona no azonareo tsoahina momba ny fandalinana soratra masina avy amin’ io zava-niainana io?

Famaranana

Teny nindramina Vakio ity torohevitra avy amin’ ny Loholona Howard W. Hunter manaraka ity:

“Azo antoka fa ny olona izay mandalina soratra masina isan’ andro dia mahatontosabetsaka lavitra noho ny olona izay manokana fotoana maro amin’ ny andro iray ary rehe-fa izany, dia mamela andro maro handeha alohan’ ny hanohizana indray. Tsy vitan’ nyhoe tokony handalina isan’ andro isika, fa tokony hisy fotoana atokana tsy tapaka izayahafahantsika mifantoka tsy misy fanelingelenana. . . .

“Kely izany fahefakadiny izany, nefa mahagaga ny haben’ ny fahazavana sy fahalalanamety ho azo amin’ ny lohahevitra tena manan-danja. Ny zava-dehibe dia ny tsy hamela-na na inona na inona hanelingelina mihitsy ny fandalinana ataontsika” (ao amin’ nyConference Report, Okt. 1979, p. 91; na Ensign, Nôv. 1979, p. 64).

Lazao izay tsapanao momba ny lanjan’ ny fanatonana ny Tompo amin’ ny alalan’ ny fanda-linana soratra masina. Avelao ny zatovovavy hilaza izay tsapany momba io lohahevitra io.

Fampiharana ny lesona

Lazao fa raha tsy manana fandaharam-potoana handalinana tsy tapaka ny soratra masinany zatovovavy, dia afaka manomboka anankiray izy ireo mandritra ny herinandro hoavy. Azon’ ny zatovovavy taterina aminao manokana ny zavatra nataony raha tiany.

Fijoroana hovavolombelona

Page 138: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

129

Ny fanompoana ao am-piangonana

TANJONA Hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fanompoana ao am-piangonana sy ny fomba ahafahany manompo ny zatovovavy tsirairay.

FANOMANANA 1. Vatsio taratasy sy pensilihazo ny zatovovavy tsirairay.

2. Manendre mpianatra iray hitantara ny zava-niainany manokana momba ny nanompoanytao am-piangonana. (Jereo ny fizarana fahatelo ao amin’ny lesona).

3. Manendre zatovovavy hanolotra ireo tantara, soratra masina na teny nindramina izaynofidinao.

SOSO-KEVITRA HAMELABELARANA NY LESONA Tokony hanompo an-tsitrapo ao am-piangonana isika

Tantarao ny mpianatra ny momba ny fitahiana azonao teo amin’ ny fiainanao noho nynanananao fotoana hampianarana ity kilasy ity. Lazao ireo sorona nataonao ary ny vali-soa tsapanao fa nomena anao tamin’ io fanompoana io. Ampio ny zatovovavy hahatsapafa ny fanompoana ao am-piangonana dia ampahany lehibe amin’ ny fiainanao.

Soraty eny amin’ ny solaitrabe izao: Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany. Rehefa izany dia omeo ireto fanontaniana manaraka ireto:

• Fiangonan’ iza no misy antsika? (Ny fiangonan’ i Jesoa Kristy.)

• Iza no nanomana ny fomba tokony handaminana ny Fiangonana? (Jesoa Kristy.Nambarany tamin’ ny alalan’ ny mpaminaniny io fandaminana io.)

Hazavao fa hafa amin’ ny rafitry ny ankamaroan’ ny fiangonana hafa ny rafitry nyFiangonana misy antsika. Tsy lehilahy ofanina manokana ho amin’ ny asany amin’ nyfotoana maharitra ireo mpitondra antsika eto an-toerana . Olon’ ny Fiangonana, izaymanome ny fotoany an-tsitrapo sy tsy karamaina izy ireo.

Ampahatsiahivo ny zatovovavy fa misy olona maro mandray anjara ao amin’ ny rafitryny sampana na paroasy iray monja. Iangavio izy ireo hitanisa araka izay azony atao ireoandraikitra misy ao amin’ ny sampana na paroasy misy azy. Tokony ho tafiditra ao amin’ny lisitra nataony ny filohan’ ny sampana na eveka, ny mpanolotsainy, ny mpiandraiki-tra, ny fiadidiana ny vondrona mpikambana, mpitantsoratra, mpampianatra any amin’ny vondrona mpikambana, mpamangy isan-tokantrano, mpampianatra isan-tokantrano,fiadidiana ny kilasy, sy ny sisa.

• Nahoana araka ny hevitrareo no narafitry ny Tompo ny Fiangonany mba hanompoan’ny olona maro ao anatiny? Iangavio ny zatovovavy hitanisa ireo antony, ary soraty enyamin’ ny solaitrabe ireo antony ireo.

1.Mety ho tafiditra ireto manaraka ireto:

2. Rehefa manompo ny olona maro, dia afaka hitahy ny ankamaroan’ ny olona izay milafanampiana izy.

3. Rehefa iangaviana hanompo amin’ ny andraikitra samihafa maro ny olona, dia metyhampivelatra ireo talenta izay tsy mbola nampiasainy mihitsy izy.

• Rehefa iangaviana hanompo ny hafa ny olona, dia mianatra ny fomba itiavana sy anompoana ny mpiara-belona aminy izy.

Inona no talenta azon’ ny zatovovavy iray, raha voantso hanompo ho filohan’ ny kilasin’ny Zatovovavy izy? Entano ny zatovovavy hitanisa talenta maro araka izay azony atao.

Fanadihadianaampiasanasolaitrabe

Famelabelaranaataon’ ny mpampianatraary fifanakalozan-kevitra

Fanadihadianaampiasanasolaitrabe

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Lesona

31

Page 139: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

130

Tantara Tantarao izao manaraka izao:

“Tanya, filohan’ ny kilasin’ ny [Zatovovavy ] avy ao Tasmania, dia nahazo fahitanamomba ny andraikiny amin’ ny maha-mpitarika ny tanora azy amin’ izao fotoana izao.Taorian’ ny fitsidihan’ ny mpikambana iray tao amin’ ny Fiadidiana Voalohany an’ nyZatovovavy, dia toy izao no nosoratany:

“ ‘Taorian’ ny alina voalohany, dia tena voaentana sy heniky ny Fanahy aho. Tsy mbatsaroako velively ny fotoana nahatsapako toy izany teo aloha. Tamin’ io alina io, dia nandeha nody aho ary nivavaka tamin’ ny Raiko any an-danitra ka nangataka hery syfanampiana mba haniry hiverina ireo Ravintsara nangatsiatsiaka. Tamin’ io alina io, dianahatsapa fiadanana marina tonga tamin’ ny fanahiko aho. Rehefa izany, nony rekoindray ianao, dia tonga tamiko ilay fahatsapana io ihany, ary fantatro ny halehiben’ nyhery sy ny maha-mahafinaritra ny Fanahy Masina. Avy hatrany aho dia nanoratra tanyamin’ ireo zatovovavy. Tiako ireo zatovovavy ao amin’ ny fikambanana Zatovovavy,satria iombonany ireo zava-mahaliana sy ireo tanjona, izay antenaiko hotratrarina.Fantatro fa indray andro any, dia tsy maintsy hamaly ny Tompo aho, noho izany diahavitrika hatrany aho ary hiara-hiasa amin’ ireo mpitarika ahy. Tsy handeha hiaina fijoroana ho vavolombelona nindramina aho. Ataoko izay hahazoana ny ahy amin’ ny asa mafy’” (Ruth H. Funk, “Exceedingly Young,” New Era, Jiona 1977, p. 48).

Fanadihadiana • Tamin’ ny fomba ahoana no nitondran’ i Tanya fitahiana teo amin’ ny fiainan’ ireo zatovovavy tao amin’ ny kilasiny?

• Ahoana no nanampian’ ny antson’ i Tanya azy hahafantatra ny fomba itiavana sy anompoana?

Hazavao fa na dia iray amin’ ny fomba tena hanompoana ny hafa sy hahatongavanatahaka an’ Andriamanitra aza ny fanompoana ao am-piangonana, dia misy olona zararaha manompo na tsy manompo mihitsy aza.

Inona no antony sasany tsy itiavan’ ny olona manompo ao am-piangonana? (Tsy heverinyfa zava-dehibe ny fanompoana ao am-piangonana; mahatsapa tsy manana fotoana, heryna fahafahana ampy izy ireo.)

Teny nindramina Vakio ity teny manaraka nataon’ ny Loholona Franklin D. Richards momba ny fanatonto-sana antso ao amin’ ny Fiangonana ity:

“Alohan’ ny handavana fiangaviana hanompo, satria tsapanao fa sahirana loatra ianao,dia azonao atao ny . . . manamora zavatra, raha tianao, ka manao tombantombana vao-vao ny zavatra tena heverinao fa manan-danja. Avereno jerena ny laharam-pahamehanaoary tsarovy ny fanekempihavanana nataonao tamin’ ny Tompo, izay nanekenao ny hano-mezana ny fotoanao, ny talentanao ary ny fanananao tsy an-tery mba hananganana nyfanjakan’ Andriamanitra.

“Rehefa manamora ny fiainanao ianao amin’ ny fametrahana ireo zavatra lohalaharanaaloha ary manafoana ireo asa tsy dia manan-danja loatra, dia hahita fotoana marimarinatokoa ianao hanekena ny fanendrena ao amin’ ny Fiangonana. . . .

“Indraindray koa dia iangaviana isika hanaiky antso ao amin’ ny Fiangonana, izay tsy tsapantsika fa sahaza antsika, ary dia voasarika isika hiteny tsia satria matahotra.Hitako fa amin’ ny ampahany lehibe, dia asa maro isan-karazany izay ahatsapantsika tsyfahavonona tanteraka ny fiainana, kanefa raha manaiky isika ary manao ny tandrifintsi-ka, dia omen’ ny Tompo fahendrena mihoatra noho izay tokony hananantsika ara-voaja-nahary isika, ary amin’ izay fotoana izay, dia afaka manao mihoatra marina noho nymety ho vitantsika isika” (“Q and A,” New Era, Mar. 1977, p. 11)..

• Inona no lazain’ ny Loholona Richardds fa tokony hataontsika raha sahirana loatraisika hanompo? Raha mahatsapa isika fa tsy sahaza?

Afaka manompo isika amin’ ny fanampiana ny mpikambana hafa ao amin’ nyFiangonana

Hazavao fa misy fomba maro ahafahantsika manompo ao amin’ ny Fiangonana ankoatrany fanatanterahana ny andraikitsika manokana. Afaka manompo amin’ ireo fomba ireoamin’ ny fotoana rehetra isika. Asaovy mitanisa ny sasany amin’ ireo fomba ireo ny zato-vovavy. Manaova lisitra mitovy amin’ ireto manaraka ireto eny amin’ ny solaitrabe:

Fanadihadianaampiasanasolaitrabe

Page 140: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

131

Mandoa fahafolonkarena.Mandoa fanatitra amin’ ny fifadiankanina.Miasa amin’ ny drafitr’ asa fanasoavana.Manompo ny mpikambana ao amin’ ny Fiangonana izay iaraha-miasa.Manohana ny misiônera amin’ ny volantsika, ny taratasintsika ary amin’

ny vavaka ataontsika.Manao tetiarana.

Rehefa manana fahazoan-dalana mankany amin’ ny tempoly isika, dia manatanteraka ny asa ho an’ ny maty any amin’ ny tempoly.

Tantara Tantarao ny momba ireo tovolahy telo mahery fo valo ambin’ ny folo taona, izay nanaoasa lehibe ho an’ ireo namana mpikambana ao amin’ ny fiangonana .

“Tamin’ ny taona 1856, mihoatra ny an’ arivony amin’ ny olontsika . . . no tra-pahasahirana-na mafy nandritra ny famakivakiana ny lohasaha ho any [Salt Lake Valley]. Noho ireo toe-javatra maro nifamahofaho, dia diso aoriana izy ireo vao tafainga. Tratran’ ny ranomandrysy ny hatsiaka mamirifiry izy ireo tany amin’ ny lemak’ i Wyoming. Nahavalaketraka nynanjo azy, miaraka amin’ ny ireo maty isan’ andro isan’ andro.

”Nahafantatra ny nanjo azy ireo ny Filoha [Brigham] Young taloha kelin’ny nanombo-han’ny fihaonambe ny volana Oktôbra. Avy hatrany dia nangataka ny hisiana omby,sarety, mpitarika sarety ary vatsy izy hanainga mba hamonjy ireo Olomasina mijaly. . . .

“Rehefa tody tao amin’ ny Sweetwater River izy ireo ny fahatelon’ ny volana Nôvambra,dia nitsinkafona teny ambony rano mamanala ny vongan-dranomandry. Ankoatra ireozavatra efa nodiavin’ ireo olona ireo, ary ny faharerahana nianjady taminy, dia toa tsy hovita ny hiampita ilay renirano. Mitovy amin’ ny manatona fahafatesana mihitsy ny midi-tra ao amin’ ilay alon-drano mamanala. Ireo lehilahy izay natanjaka tany amboalohanydia nitorovoka teo ambonin’ ny tany mamanala ary nitomany, toy izany koa ny zazaamam-behivavy. Maro no tsy afaka niatrika tsotra izao ilay fisedrana.

“. . . ‘Tovolahy telo valo ambin’ ny folo taona tao amin’ ilay tarika mpamonjy no nandehanitondra famonjena, ary gaga ireo rehetra izay nahita ny nitondrany saiky ny olona rehe-tra tao amin’ ilay mpifindra monina niaraka tamin’ ny sarety tarihin-tanana niampita ilayrano feno ranomandry. Hery lehibe no lany tamin’ izany, ary mafy dia mafy ny hatsiakanianjady, koa taona vitsivitsy tat˜ aoriana dia maty avokoa ireo tovolahy ireo vokatr’izany zavatra izany. Rehefa nandre ny momba izany fihetsika be herim-po izany nyFiloha Brigham Young, dia nitomany toy ny zazakely, ary nanambara am-pahibemasotat˜ aoriana nanao hoe: “ Izany asa izany ihany no hiantoka ny famonjena mandrakizayho an’ i C. Allen Huntington, i George W. Grant ary i David P. Kimball ao amin’ nyFanjakana Selestialin’ Andriamanitra, tontolo tsy misy fiafarana.” ‘ (Solomon F. Kimball,Improvement Era, Feb. 1914, p. 42).

“Mariho fa valo ambin’ ny folo taona monja ireo zazalahy ireo tamin’ izany fotoanaizany. . . . Lehibe ny herim-pony. Masina ny sorona nataony tamin’ ny fahasalamany aryniafara tamin’ ny ainy mihitsy aza mba hamonjena ny ain’ ireo izay nampiany” (Gordon B.Hinckley, ao amin’ ny Conference Report, Okt. 1981, p. 59–60; na Ensign, Nôv. 1981, p. 42).

Fanadihadiana • Inona no heverinareo fa nanosika ireo tovolahy ireo hanao sorona lehibe toy izany?

• Inona no azonareo tsoahina avy amin’ io tantara io momba ny fanompoana ireo mpikambana ao amin’ ny Fiangonana izay iarahanareo miasa? (Jereo Môsià 2:17; Matio 25:34–40.)

Tokony hiomana hanompo ao amin’ ny Fiangonana isika dieny izao

Ampahatsiahivo ny zatovovavy ireo andraikitra maro sahanina ao amin’ ny paroasy na sampana izay nolazainy tany am-piandohan’ ny lesona. Hazavao fa mety hantsoinahanompo amin’ ireo andraikitra ireo izy ireo amin’ ireo taona manaraka.

• Inona no fahaiza-manao hilaina hananan’ ny mpampianatra Sekoly Alahady? Ny filohan’ ny Fikambanana Ifanampiana? Avelao hamaly ny zatovovavy.

Hazavao fa tsy maintsy miomana dieny izao ny zatovovavy handray ireo toerana izay omen’ ny Tompo azy ao amin’ ny Fiangonana.

Teny nindramina Vakio ity teny nataon’ ny Loholona M. Russel Ballard ity:

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Lesona 31

Page 141: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

132

“Ahoana no ahatongavan’ ny anaran’ ny eveka sy ny filohan’ ny tsatòka ary nyManampahefana ambony ao an-tsain’ ireo izay mahazo andraikitra hanome antso? . . .Holazaiko anareo ny fihevitro momba izany. Mino ny fanambarana aho—ary torak’ izanykoa ianareo—ary inoako fa hahafantatra ny aminareo ny Tompo manomboka izao. Ianareomisiônera izay miomana ny handeha hanao asa fitoriana, aza avela misy andro iray ho lanyka tsy nanehoanareo amin’ ny Tompo fa azo ianteherana ianareo, fa mendri-pitokisanaianareo, fa vonona ianareo, fa manana fandavan-tena ianareo, fa miaraka Aminy ianareo,satria fantany bebe kokoa hatrany ny amin’ ny zatovolahy sy zatovovavy ao amin’ ityFiangonana ity amin’ izao fotoana izao. . . .Mahafantatra bebe kokoa hatrany ny aminareoIzy isan’ andro vaky izao. Rehefa izany, aorian’ ny nandinihany anareo sy aorian’ ny nane-hoanareo ny fahatokianareo amin’ ny fanompona nataonareo sy ny fahafahanareo nitandri-na ny laharam-pahamehana eo amin’ ny fiainanareo, dia tonga ny ilana mpanolotsainaambony, filohan’ ny Kilonga, filohan’ ny Fikambanana Ifanampiana, eveka, na filohan’ nytsatòka; ary dia ampahafantarin’ ny Tompo ny tomponandraikitra ny fisoronana fa vononaianareo satria nitana ny fanoloran-tena sy ny fanomezan-toky izay nataonareo talohan’ nynahaterahanareo” (”Speaking today,” Ensign, Mar. 1979, p.71).

• Inona no azonareo atao hanehoana amin’ ny Tompo isan’ andro fa mendri-pitokisanaianareo ary manolo-tena ho Azy? Avelao ny zatovovavy hifanakalo hevitra. (Jereo koa ny Josoa 24:15.)

Fampiasana Zarao taratasy sy pensilihazo ny zatovovavy. Ho fampiasana fohy ho an’ ny kilasy, diaiangavio ny zatovovavy tsirairay hanoratra toetra tsara roa na telo sy fahaizana ananan’ny zatovovavy mipetraka eo anilany, izay hahafahany hanompo tsara. Asaovy mizara ny heviny sy ny fomba fijeriny ny zatovovavy. Iangavio ny zatovovavy tsirairay hanome izay voasorany ho an’ ilay mpianatra izay voalaza ny momba azy.

Iangavio ny mpianatra iray izay manana antso ao amin’ ny Fiangonana hitantara nyfomba niantsoin’ ny eveka na ny filohan’ ny sampana azy, ny zavatra tsapany rehefanantsoina izy, ny fomba niomanany tamin’ ny antsony, ny fomba nandrindrany ny fotoany ary ny zavatra sasany nanahirana azy sy ny valisoa azony noho ny fanompoananataony. Raha tsy mbola misy ny mpianatra nahazo antso ao amin’ ny Fiangonana, diamanasà tanora hafa izay nanompo hizara ny zava-niainany, na tantarao ny zava-niaina-nao manokana tamin’ ny fanompoana ao am- piangonana.

Famaranana

Teny nindramina Hazavao fa mety hilaza ny tanora fa tanora loatra izy amin’ izany fanompoana ny Tompoizany. Nanome toky antsika ny Filoha Voalohan’ ny Fiadidiana ny Zatovovavy manaohoe: “Voa- janahary ny tahotra rehefa mahazo [antso ao amin’ ny Fiangonana] ianao. Naizany aza anefa, ny fiantsoana mpitarika tanora ara-tantara dia sitrapon’ ny Tompo. Tsyniahotra Izy hiantso tanora ho amin’ ny tanjona mandrakizay, hanampy azy ireo amin’ny fiomanany, ary handefa azy ireo hanantontosa ny antsony vaovao. . . . Mandray anjaraamin’ ny asa mahafinaritra sy masina ho famonjena ny fanahy ny mpitarika tanora amin’izao fotoana izao. . ..

“. . . Rehefa averin’ ireo izay mpandimby jerena ireo firaketana manan-tantaran’ ireompitarika tanora amin’ izao fotoanandro izao, dia izao no mety ho hita tsara: ‘Voantson’Andriamanitra izy ireo; tena mbola tanora izy ireo; notarihin’ ny Fanahy izy ireo; nifam-pitondra enta-mavesatra izy ireo; mpanompon’ ny Tompo izy ireo’ “ (Ruth H. Funk,“Exceedingly Young, “ p. 47–49).

Fampiharana ny lesona

1. Iangavio ny zatovovavy hanoratra ireo fomba anompoany ao amin’ ny Fiangonanaamin’ izao fotoana izao, eo amin’ ny fanohanana ny fandaharan’ ny Fiangonana sy nyfanatanterahana ny antson’ ny Fiangonana, na lehibe izany na kely. Iangavio izy ireohanampy zavatra iray ao amin’ io lisitra io.

2. Asaovy manapa-kevitra dieny izao ny zatovovavy mba hanatanteraka rehefa mahazoantso ao amin’ ny Fiangonana.

3. Araka ny safidin’ olon-tokana na ny an’ ny tarika, dia mifantena mpiandraikitra sami-hafa ao amin’ ny paroasy na sampana hanoratana teny fankasitrahana noho ny fotoanalaniny sy ny ezaka nataony tamin’ ny antsony tao amin’ ny Fiangonana.

Tatitra sy fanadihadiana

Page 142: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

133

Ny fanompoana ao amin’ ny fiarahamonina

TANJONA Hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fanompoana eo amin’ ny fiarahamonina ny zatovovavy tsirairay.

FANOMANANA 1. Ataovy izay hananana sarina tsangambato ao amin’ ny faritra misy anareo.

2. Isafidianana: Omano ny sarintany misy ny tanànanareo, ny fanjakana misy anareo na nyfirenenareo. Hetezo izany hahazo singany efatra (na mihoatra raha tianao) tahaka ny sin-gana piozila. Eo anoloana amin’ ny singana piozila tsirairay, manorata sehatra asa fana-soavana ny fiarahamonina, araka ny aseho amin’ ny sary. Mety ho tafiditra amin’ izanyny zavatra toy ny asa fanasoavana ara-pahasalamana, asa fanasoavam-bahoaka, fandrai-sana anjara amin’ ny raharaha pôlitika, ary ny fiaraha-mientana ara-kolontsaina. Aoambadiky ny singa tsirairay dia tokony hisy soso-kevitra momba ny asa fanasoavana nyfiarahamonina izay voangonao tany amin’ ny faritra misy anao. Azonao ampiasaina nysoso-kevitra ao amin’ ny fizarana fahatelo amin’ ny lesona ary ampio ny anao manokana.

3. Manendre zatovovavy hanolotra ireo tantara, soratra masina na teny nindramina izay nofidinao.

SOSO-KEVITRA HAMELABELARANA NY LESONA Fampidirana

Asehoy ny sary famantarana ny fiaraha-monina misy anareo.

Hazavao fa ny fiarahamonina dia antokon’olona izay miara-miaina anatin’ ny faritra irayary manana lalàna, tombon-tsoa ary fomba fanao maro. Na toa inona na toa inona haben’ilay fiarahamonina, dia manana fiantraikany amin’ ny olona hafa izay monina ao nymponina tsirairay ao. Mety ho fitaomana ho amin’ ny tsara ao amin’ ny fiarahamoninamisy azy ny zatovovavy amin’ny fandraisany anjara amin’ny karazana asa fanasoavanany fiarahamonina.

Zava-dehibe ho an’ ny zatovovavy ny manompo ao amin’ ny fiarahamonina

• Nahoana araka ny hevitrareo no zava-dehibe ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany ny manompo ao amin’ ny fiarahamonina misy azy? Avelao ny zatovovavy hifanakalohevitra, ary soraty eny amin’ ny solaitrabe ny valin-teniny.

Mety ho tafiditra amin’ izany ireto hevitra manaraka ireto:

1. Misy olona maro mila fanampiana ao amin’ ny fiarahamonina ary vitsy ny olona mano-me izany ho azy ireo.

Solaitrabe syfanadihadiana

Sary sy famelabelarana ataon’ ny mpampianatra

Asa fanasoavana ara-pahasalamana

Asa fanasoavam-bahoaka

Fiaraha-mientana ara-kolontsainaFandraisana anjara

amin’ ny raharaha pôlitika

Lesona

32

Page 143: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

134

2. Rehefa manompo ao amin’ ny fiarahamonina isika, dia afaka mizara ny fitahian’ ny filazantsara amin’ ny olona izay anaovantsika izany.

3. Tiantsika ho toerana mahafinaritra hanabeazana ny fianakaviana ny fiarahamonina, aryafaka manao zavatra maro isika mba hitandrovana ireo fenitra ambony.

Fanadihadiana Karazana olona toy inona no mila fanampiana ao amin’ ny fiarahamonina misy antsika?(Hiovaova izany araka ny fiarahamonina misy anareo, saingy mety ho tafiditra amin’izany ireo be antitra izay any amin’ ny ankany fialan-tsasatra na miaina irery ka tsy afakamisahana ny ilainy rehetra, ny marary any amin’ ny hôpitaly, ny ankizy tsy voakarakaraara-dalàna, ny mpialokaloka avy any amin’ ny firenena hafa, ny olona sembana ara-bata-na sy ara-tsaina.)

Hazavao fa matetika dia misy fitondram-panjakana sy sampan-draharaha miandraikitrany sosialy izay manampy ireo olona ireo, saingy tsy vitany ny manao ny zavatra rehetraizay tokony hatao.

Tantara Atolory ity tantara marina manaraka ity:

Zatovovavy avy any Etazonia i Linda ary mipetraka ao amin’ ny tanàna iray tsy lavitrany fonenany. Mipetraka amina efitrano amin’ ny trano mijoalajoala ireny izy ary nahatsi-karitra fa avy amin’ ny firenen-kafa ny mpifanolo-bodirindrina aminy ka tsy mahay mite-ny anglisy tsara. Tsy hitany loatra ny fomba hifanatonana amin ‘izy ireo ary somary nata-hotra izy, kanjo indray andro, nanapa-kevitra hieritreritra izay zavatra azony atao hifan-kahalalana amin’ izy ireo. Nanao tsindrin-tsakafo fanao any amin’ ny taniny izy ary nen-tiny tany amin’ izy ireo. Faly er˜ izy ireo nahazo namana izay ahafahany miteny anglisy.Nasainy hisakafo izy ary tsy ela dia nifankahalala tsara izy ireo.

Zazalahy roa ambin’ ny folo taona ny anankiray tamin’ ireo mpifanolo-bodirindrinataminy, izay sahirana dia sahirana tokoa tany am-pianarana noho ny tsy fahaizany tenyanglisy. Nanolo-tena ho tonga any an-tranony indroa isan-kerinandro i Linda ary hanam-py azy hamaky teny. Niasa mafy ilay zazalahy, ary tsy ela dia lasa mpinamana tsara izysy i Linda, izay matetika nilomano, nijery sary mihetsika ary nanao zavatra miaraka izaynanampy azy nianatra ny tany vaovao misy azy.

• Inona araka ny hevitrareo no tsapan’ io zazalahy io sy ny fianakaviany momba ny fanampiana nataon’ i Linda azy ireo?

Hazavao fa rehefa manompo ao amin’ ny fiarahamonina isika, dia afaka mizara ny fitahian’ ny filazantsara amin’ ireo izay tsy manana izany.

Teny nindramina Hoy ny Loholona L. Tom Perry:

“Nomena ny fitahian’ ny fahazavan’ ny filazantsara isika mba hitarika sy hanoro lalanaantsika ary hitantana ny fiainantsika. Noho ny fahatakarana sy ny fandalinana ny soratramasina, dia mahazo fahalalana momba ny lalàn’ ny Tompo isika, izay amin’ ny alalanyno tokony hifehezantsika ny fitondran-tenantsika eto an-tany. Miaraka amin’ io fitahianalehibe io ilay andraikitra handray anjara ao amin’ ny fiarahamonina izay iainantsika.Tokony ho tsapa ilay fitaomantsika mba hitandrovana ireo fitsipi-pitondrantena ao an-tanàna, ao an-tanàn-dehibe ary ao amin’ ny toerana izay misy ny fonenantsika maneranaizao tontolo izao. Mandrisika anareo aho handray anjara amin’ ny fanandratana ireo fitsi-pi-pitondran-tena ao amin’ ny fiaraha-monina izay misy ny fonenananareo” (ao amin’ nyConference Report, Apr. 1977, p. 89; na Ensign, Mey 1977, p. 61).

Fanadihadiana • Raha miara-miasa amin’ ny olona izay tsy mpikambana ao amin’ ny Fiangonana ianao aoamin’ ny fiarahamonina, ahoana ny fomba ahafahanao mizara ny fitahian’ ny filazantsaraamin’ izy ireo? Entano ny zatovovavy hieritreritra fomba maro araka izay azony atao.

“Mety hilaza zavatra toy ny: ho môdely eo amin’ ny asa fanompoana kristiana, hankahe-ry ireo miara-miasa amin’ ny fandalàna ny fitsipika ambony mifehy ny asa ao amin’ nyfiarahamonina ary hitady fotoana ahafahana miresaka momba ny fomba nitahian’ ny filazantsara fiainana maro.

Asehoy fa raha manao izay hanompoana ny fiarahamonina misy azy ny zatovovavy diahanampy amin’ ny fanatsarana ny fiarahamonina amin’ ny hoavy. Ireo fandraisana anja-ra ireo dia mety hitondra soa tokoa ho an’ ny zanany any aoriana.

• Nahoana araka ny hevitrao no tsy manompo any amin’ ny fiarahamonina misy azy ny olona maro? Avelao ny zatovovavy hilaza antony maro.

Page 144: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

135

Hazavao fa ao anatin’ ny fianakaviana iray, fiangonana iray ary fiarahamonina iray isika,dia angatahana amin’ ny zavatra maro ny fotoantsika. Manampy antsika hahatakatraizay tokony ho laharam-pahamehana amintsika ity teny nindramina manaraka ity:

Teny nindramina “Rehefa tokony handray andraikitra amin’ ny antony maro ao amin’ ny fiaraha-monina nyOlomasin’ ny Andro Farany, dia tokony handanjalanja tsara izy. Ny fianakaviany no toko-ny ho voalohan-daharana. Tsy tokony hatao ambanin-javatra koa ny asam-piangonana. . . .

“Ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany mahay mandrindra, dia misy mandrakariva nyfotoana hahatonga ny olom-pirenena mandray andraikitra sy tsy miamboho adidy. Metyhidika fampihenana anankiray na anankiroa isan-kerinandro fandaharana iray na roaamin’ ny fahita lavitra izany, na fampihenana lalao baolina iray isam-bolana—nefa misymahatsara azy izany. Tena ilaina koa izany, raha tsy maintsy miaina ao amin’ ny fiaraha-monina, izay tsy maintsy iainana feno ny filazantsara sy ny fifaliana entiny isika”(Wendell J. Ashton, Ensign, Des. 1977, pp. 24–25).

• Inona ireo zavatra azonao natao mba hanananao fotoana bebe kokoa hanaovana asafanasoavana ny fiarahamonina mandritra ny fiainanao?

Misy fomba maro ahafahan’ ny zatovovavy manompo ny fiarahamonina

Hazavao fa misy fomba maro ahafahantsika miasa ho an’ ny fiarahamonina misy antsika.Zarao ireo tapaka sarintany misy asa fanasoavana ny fiarahamonina. Miangavia zatovo-vavy iray hamaky mafy ny lisitra tsirairay ary hanampy an’ izany raha manana hevitrahafa izy. Mangataha koa soso-kevitra avy amin’ ny mpianatra hafa. Rehefa voavaky nylisitra, dia tokony hapetak’ ilay zatovovavy amin’ ny rindrina na peta-drindrina amin’ ny toerana tandrify izany ny tapaka sarintany tany aminy.

Asa fanasoavana ara-pahasalamana: Mitsidiha ary miresaha amin’ ireo be antitra ao amin’ny fianakavianao sy mifanolo-bodirindrina aminao; manamboara fitafiana sy sakafo hoan’ ireo olona izay marary; mikarakarà ankizy marary eny amin’ ny hôpitaly na mifano-lo-bodirindrina aminao; amakio teny ireo be antitra any amin’ ny ankany fialana sasatra;itondray voninkazo ireo marary tsy manan-kavana; amin’ ny fotoana fialan-tsasatra, tsa-rovy ireo olona izay marary.

Fandraisana anjara amin’ ny raharaha pôlitika: Omeo fanazavana momba ny vaovao mivoakaeo an-toerana na momba ny mpilatsaka hofidina ny mpifanolo-bodirindrina; miantsoa an-tariby hanentana ny olona hifidy; manatreha fivoriana momba ny raharaham-pirenena.

Asa fanasoavam-bahoaka: Manampia hanangana na hitarika fikambanana izay hanampy nytanora hampivelatra fahaiza-manao; mampianara zaitra, nahandro na asa tanana ho an’ireo izay any amin’ ny ankany fitaizana zaza kamboty na sekolim-bahoaka na ireo semba-na; ampianaro ireo izay tsy mahay ny teninao ny fiteninao; mamakia teny ho an’ ny jamba.

Fiaraha-mientana ara-kolontsaina: Manolora tena hizara fandaharana teatra sy rindran-kira ao an- tanàna; manaova toy ny mpandray olona na mpitarika any amin’ ny fampise-hoana zava-kanto; mandraisa anjara amin’ ny fampisehoana teatra, rindran-kiram-piva-vahana, fitendrena zava-maneno, na asa fampahafantarana fikambanana toy izany.

Lazao ny zatovovavy fa ny sarintany feno dia mampiseho ny zavatra lehibe na kely izayazo atao mba hanatsarana ny fiarahamonina.

Iangavio ny zatovovavy hizara zava-niainana izay mety ho hitany tany amin’ ny asa fana-soavana ny fiarahamonina. Zarao ny zavatra niainanao, na tantarao ireto manaraka ireto:

Tantara Mampalahelo ny efitra fisoloana akanjo ao amin’ ny toeram-pilomanosana ao an-tanàna.Misy lokomena miforetaka amin’ ny rindrina, rakotra litera voalohany sy anarana nyfampiriman’ entana, simba sy maloto ny makarakara amin’ ny varavarankely. Maro nyzatovovavy avy any an-tanàn-dehibe no nilaza fa tsy te hilomano ao intsony noho nynanjo ilay trano. Nandroso hevitra ny mpampianatra mba handokoana sy handravahan’ny zatovovavy ny efitra fiakanjoan’ ny vehivavy mandritra ny fialan-tsasatra amin’ nyfahavaratra. Nahazo vola hividianana loko sy makarakara vaovao amin’ ny varavaranke-ly ny zatovovavy, avy amin’ ireo mpampiasa ny toeram-pilomanosana. Nandoko izyireo, nanantona ireo makarakara vaovao ary nanao tavim-boninkazo ho an’ ireo zava-maniry lehibe fanao an-trano izay nomena azy ireo. Nanaitra tokoa ny fanatsarana hanyka nanolotra teny fankasitrahana ireo zatovovavy ny olona. Nahafinaritra azy ireo nynilomano tao, toy izany koa ireo mpampiasa hafa ny dobo filomanosana.

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Fampiasanamomba nysarintany

Lesona 32

Page 145: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

136

Tantara Niangavian’ ny namany hanampy hizara fandaharana momba ny lanonana samihafa ara-kolontsaina izay hiseho ao amin’ ny trano filanonan’ ny oniversite ny zatovovavy iray izaynipetraka teo akaikin’ ny oniversite. Tsy nokaramaina izy tamin’ izany asa izany fa nomenalalana hipetraka amin’ ny toerana malalaka aorian’ ny fanombohan’ ny fampisehoana tsirai-ray. Nahita fampisehoana rindran-kira nahafinaritra maro, dihy mirindra ary tantara an-tse-hatra izy. Nitarika azy ho tia zava-kanto nandritra ny fiainany manontolo ilay zava-niainany.

Fanadihadiana Hazavao fa na dia fihetsika tsy mitady ny ho azy aza ny fanompoana, dia mahazo tom-bon-tsoa sy fivoarana manokana lehibe ny mpanome. Diniho miaraka ireto tombon-tsoaireto, toy ny fampivelarana talenta, fahazoana fahalalana, fivoarana ara-panahy ary fane-hoana fitiavana amin’ ireo mila izany.

Famaranana

Hazavao fa tokony hanombatombana ny talenta ananany sy ny fahafaha-manao ananany,ary koa ny fotoana azony atokana ho an’ ny asa fanasoavana ny fiarahamonina ny zatovo-vavy tsirairay. Amin’ ny alalan’ ny fanompoana no hahafahany mitondra ny fitsipikamifehy sy ny hasin’ ny Olomasin’ ny Andro Farany ao amin’ ny fiarahamonina. Ambonin’izany dia ho afaka hampivelatra ny fahazarana manompo izy.

Fampiharana ny lesona

Toroy hevitra ny zatovovavy hanombatombana ny fotoana ananany sy hifidy asa fana-soavana ny fiarahamonina izay hifanaraka amin’ ny fandaharam-potoany.

Toy ny fampianarana, mandraisa anjara amin’ ny lamin’ asa fanasoavana karakarainafikambanana ho an’ ny fiarahamonina misy anareo.

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Page 146: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

Miaina fiainana feno hasina

Amin’ ny alalan’ ny soratra masina sy ny mpaminaniny, dia nampianatra ny fitsipi-piton-dran-tena ny Tompo, tamin’ ny fotoanandro tsirairay. Ny fikorosoan’ ny fitsipi-pitondran-tena eran’ ny tontolo manodidina antsika dia nandavaka hantsana lehibe mampisarakaizay eken’ izao tontolo izao sy izay ankasitrahan’ ny Tompo. Tsy maintsy fantatsika nyfitsipiky ny Tompo momba ny fitondrantena mba hiainana izany.

Rehefa manolotra ny lesona ianao ao amin’ ity vondrona ity, dia ampianaro ny fitsipikyny Tompo momba ny fitondrantena amin’ ny fomba ara-dalàna sy voalanjalanja mifana-raka amin’ ny fandrosoan’ ny zatovovavy fahavononany handray ilay ventin-kevitra. Nyfifandraisana akaiky misy eo amin’ ny mpanoro hevitra sy ny zatovovavy dia matetikamiafara amin’ ny firesahana, tsy araka ny fandaharana, momba ny fakampanahy na nyolana momba ny fitondrantena manokana. Amin’ ny maha-mpanoro hevitra anao, nyandraikitrao dia ny mamaly araka ny tokony ho izy ireo fanontaniana, amin’ ny fangata-hana hatrany ny zatovovavy hiresaka amin’ ny ray aman-dreniny.

Mba hanampy anao hiomana hamaly araka ny tokony ho izy, dia vakio tsara ny bokikelyRy tanora, mahereza (34285 654). Ny boky Guide pour les parents (31125 140) koa dia fanovo-zan-kevitra tena manampy. Natao hanampy ny ray aman-dreny hampianatra ny zananymomba ny firaisana ara-nofo sy hanomana ny zanany hanaraka ny drafitry ny Tompoamin’ ny fampiasana ny firaisana ara-nofo izany.

Tsarovy fa ny eveka ihany no manontany momba ny fahadiovam-pitondran-tena sy nyloha hevitra momba ny fitondrantena mifandray amin’ izany ao amin’ ny tafa sy dinika(jereo ny Manuel de dirigeants pour la section Jeunes Filles, p. 00, sy ny manuel de diri-geants pour la Prêtrise de Melchisedek, p. 00). Entano ny zatovovavy hihaona amin’ nyeveka raha tiany ny hiresaka momba ny fitondrantenany.

1. Ao amin’ ireo lesona ireo, miankìna amin’ ny fitarihan’ ny Fanahy ny fanapahana izayhampianarina, ny fomba hampianarana ary ny fotoana hampianarana ireo loha hevitrasasantsasany. Tokony hiompana amin’ ireo lafiny izay efa nampianarin’ ny mpamina-ny sy izay zavatra ao anatin’ ny lesona ny famakafakana.

2. Ny famelabelarana ny Morality for Youth ao amin’ ny horonan-tsary sy feo Come untoMe (53146) no hahitana fampidirana na famaranana sahaza ho an’ ny lesona ao amin’ io vondrona io. Tsy ampy ny fotoana amin’ ny fotoam-pampianarana iray hampidiranailay horonan-tsary sy feo sy ny famakafakana ny ao anatiny ho lesona; noho izany, diatokony hampiasa fotoam-pampianarana hafa ianao handefasana ilay horonan-tsary syfeo ary handinihana miaraka ny momba izany.

Fanamarihanaho an’ nympampianatra

Page 147: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

138

Manana toe-panahin’ Andriamanitra symaharitra mandrakizay ny olona tsirairay

TANJONA Hankasitraka ny fananan’ ny olona tsirairay ny toe-panahin’ Andriamanitra sy mandrakizayny zatovovavy.

FANOMANANA

1. Sary 13 sy 14, Zatovovavy samy hafa firenena niaviana, hita any amin’ ny faran’ ny boky fampianarana.

2. Manàna fonontanana manana bika sy vita amin’ ny akora samihafa.

3. Manomàna taratasy fampahatsiahivana misy ny tsirairay amin’ ireo toko sy andinin-tsoratra masina ireo ary fanontaniana ho an’ ny zatovovavy tsirairay.

1. 1 Samoela 16:7

2. Matio 25:40

3. Romana 12:10

4. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10

4. Amin’ ny fahafantarana tsara ny hasin’ ny fanahy, ho tianao ve ny hahatonga ny olonana dia iray monja aza hahatsapa fa tsy misy vidiny izy?

5. Manasà renim-pianakaviana miaraka amin’ ny zazakely hitsidika ny kilasy. Iangavioilay renim-pianakaviana haneho, mandritra ny minitra vitsy, ny tsapany momba nymahalafo vidy ny zanany sy ny fitahiana azo avy amin’ ny fitaizana ny anankirayamin’ ny zanaky ny Ray any an-danitra.

6. Manendre mpianatra iray hanolotra ny tantara ao amin’ ny fizarana fahatelo amin’ ny lesona.

Manendre zatovovavy hanolotra ireo tantara, soratra masina, na teny nindramina izaynofidinao.

SOSO-KEVITRA HAMELABELARANA NY LESONA Mandrakizay, masina ary manana toe-panahin’ Andriamanitra ny olombelona rehetra

eto an-tany.

Asehoy ny sarin’ ny zatovovavy avy amin’ ny tany maro. Iangavio ny mpianatra haman-tatra ny firenena niavian’ ny olona tsirairay. Ireto ny valiny: sary 1, Aostralia; sary 2,Filipina; sary 3, Japana; sary 4, Etazonia.

Mampisehoa fonontanana maro. Asehoy fa manana habe, loko, akora isan-karazany avyamin’ ny toerana maro eto an-tany ireo fonontanana. Manana tanjona anankiray lehibeny fonontanana tsirairay—mandrakotra ny tanana. Ny fonontanana tsy misy tanana diavery aina sy tanjona. Hazavao fa azo oharina amin’ ny fanahin’ olombelona ny tanana.

• Raha mampiseho ny fanahin’ olona ny tanana, inona kosa no asehon’ ny fonontanana?

Anaovy ireo fonontanana isan-karazany sady manontania hoe:

• Inona no fifandraisana hitanao eo amin’ ny sarin’ ireo zatovovavy sy ny fonontanana?

Hazavao fa ny vatana mety maty, asehon’ ny fonontanana, dia mandrakotra ny zanakafanahin’ Andriamanitra, izay asehon’ ny tanana. Ireo fonony ivelany, ny vatantsika ara-nofo, dia samy hafa tahaka ireo fonontanana, saingy ao anatiny dia samy zanaka fanahin’ny Raintsika any an-danitra avokoa isika, narina araka ny endriny. (Jereo Boyd Kristy.Packer, Teach Ye Diligently [Salt Lake City: Deseret Book Co., 1975], p. 230–37.).

Lesona ampia-sana fitaovana

Fampahafantaranany sary

Lesona

33

Page 148: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

139

Ivereno indray ny sarin’ ny zatovovavy.

• Inona ny fahasamihafana hita maso misy eo amin’ ireo zatovovavy ireo? Soraty eoankavia amin’ ny solaitrabe eo ambanin’ ny lohateny Fahasamihafana ny valin-teny: volo,maso; volon-koditra, salovan-tava, akanjo.

Diniho miaraka ireo fihetsika tsy tsara asehon’ ny olona matetika amin’ ireo izay tsymitovy fari-pahaizana, fari-piainana, bika na firazanana aminy. Asaovy manome fihetsi-ka tsy tsara koa ireo zatovovavy ary soraty eo amin’ ny ilany havanana amin’ ny solaitra-be izy ireny, eo ambanin’ ny lohateny hoe Fihetsika amin’ ny fahasamihafana: manavaka,mihataka, mitsetra, matahotra, maniratsira, mody tsy mahalala.

Hazavao fa matetika ny fihetsitsika amin’ ny olona dia miompana amin’ ny endrika ive-lany (fonontanana). Fa ny fanahy mandrakizay kosa (ny tanana) dia hasina tsy mety ritra.Ny fitondrantsika ny hafa dia tokony hiompana amin’ ny fahalalana fa manana toe-pana-hin’ Andriamanitra sy mandrakizay ny tsirairay, na toy inona na toy inona firazanany nafari-pahaizany.

Tantara Zarao ireo taratasy kely misy toko sy andinin-tsoratra masina sy fanontaniana. Manànatoky fa manana ireo bokin’ ny soratra masina ny mpianatra tsirairay. Toroy izy ireo hita-zona ilay taratasy mandra-pahatapitrao ity tantara manaraka ity.

Nofihinin’ i Angela tao anaty tanany ilay taratasy, ary nandeha nody izy lasa fisainana.Tsy dia misy maha-samy hafa azy loatra amin’ ny ankabeazan’ ny lesona omeny ny leso-na nataon’ ny Rahavavy Bentley momba ny hasarobidin’ ny fanahy. Nisy zavatra nola-zainy anefa nahatonga an’ i Angela nahatsiaro ho meloka.

Nilaza ny maha-zava-doza ny fananana andia-namana voatokana ny Rahavavy Bentley.Niresaka ny momba ny fanovana ny teny voatokana amin’ ny tsy voafetra sy ny momba nyfandraisana ireo olona mangatsiatsiaka, olona saro-kenatra, ary ireo izay tsy mitovy fira-zanana na fari-pahaizana amin’ ny tena izy. Toa te hilaza ny Rahavavy Bentley fa tokonyho tia ny olon-drehetra ny zatovo.

Marina fa tsy ny tokony handraisanay an’ i Mary no tian’ ny Rahavavy Bentley lazaina,hoy ny eritreritr’ i Angela. Be tsy miteny loatra izy no tsy mahay mifandray amin’ nyolona. Ary tsy fantatry ny Rahavavy Bentley angaha fa vahiny i Ingrid? Tsy misy olonaafaka mahatakatra ny ao an-tsainy akory. Velom-panontaniana i Angela sao dia efa nan-dre azy sy ny namany nifosa ny akanjon’ i Julie nentiny tany am-piangonana ny RahavavyBentley. Marina tokoa fa tokony ho afaka hifidy izay ho namany ny olon-drehetra. Eo an-danin’ izany, misy dia misy koa ireo zatovovavy tsy te handray anjara akory amin’ ny fiaraha-mientana ao amin’ ny Fiangonana. Tsy hitako izay antony tokony hanadalana azy akory, hoy ny eritreriny.

Raha mbola nandinika ny antony nahatonga ilay lesona tsy nampitombon-tsiraka azymihitsy i Angela, dia tsaroany fa mbola nofikiriny teny an-tanany ilay taratasy. Izay no antony—ireo soratra masina ireo sy ilay fanontaniana farany nomen’ ny RahavavyBentley. Nazava dia nazava ireo soratra masina, ary mitaky valiny ilay fanontaniana.

Iangavio ny zatovovavy hitady sy hamaky ireo toko sy andininy ao amin’ ny soratra masinaao amin’ny taratasy kely eny aminy ary rehefa izany dia hamaky ny fanontaniana.

• Ahoana no mahatonga anao hahatsapa ny nataonao tamin’ ny hafa amin’ny alalan’ireosoratra masina ireo?

Hazavao fa ny Tompo no nahary ny olona rehetra. Lazainy amintsika ao amin’ ny soratramasina fa manana toe-panahin’ Andriamanitra sy mandrakizay ny zanany rehetra, ary tianyny itiavantsika azy ireny, na toy inona na toy inona firazanany, fahaizany, na fari-piainany.

Tsy ny fahaterahana no fiandoham-piainana

Teny nindramina Hazavao fa rehefa miteraka zazakely iray ny reny, dia misy zanaka fanahin’Andriamanitra teraka mitafy vatana mety maty. Hoy ny Loholona Bruce R. McConkie:

“Teraka tamin’ ny maha-zanaka fanahy an’ Andriamanitra, Ilay Raintsika any an-danitra,aloha isika. Niaina fotoana vitsy niaraka Taminy. Tsy nanomboka niaraka tamin’ izaofisiantsika teto an-tany izao ny fiainantsika. Izao tontolo eto an-tany izao dia fiovana toetra fotsiny ho an’ ilay fanahy mandrakizay izay efa niaina taloha teo anatrehan’

Famakianasoratra masina

Fanadihadianaeny amin’ nysolaitrabe

Page 149: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

140

Andriamanitra, Ilay Raintsika any an-danitra. Fiovan-toetra ny fahaterahana. Fomba fiai-na iray vaovao izany” (“Households of Faith,” Ensign, Apr. 1971, p. 6)

Reny sy zanaka Ampidiro ilay reny sy ny zazakeliny. Asaovy maneho ny tsapany momba ny hasarobidin’ny zanany sy ny fitahiana amin’ ny fitaizana anankiray amin’ ny zanaky ny Raintsika anyan-danitra ilay reny.

Hazavao fa tahaka ny mahasarobidy ny zanaka amin’ ny reniny, dia manana lanja tsyhita pesipesenina amin’ ny Raintsika any an-danitra ny olona tsirairay.

Tokony hanampy ny hafa hahatsapa fa tiana sy sarobidy isika

Tantara Asaovy manolotra ity tantarana mpampianatra seminera iray manaraka ity, izay nahatongafahagagana hitranga, ilay mpianatra voatendry.

“Nisy zazavavy iray tamin’ ny kilasina seminera, izay toa sahirana sy very fanantenana.Niezaka hankahery sy hampandray anjara azy aho; tsapako fa te hiaraka mafy amin’ nyankizy izy sy te hanao zavatra. Rehefa asaina mamaly, na manao vavaka, na mamakysoratra masina anefa izy dia miady mafy mandritra ny fotoana fohy ary dia mitomany nomamonjy ny toerany. Nisy fitserana azy ihany avy amin’ny mpiray kilasy, saingy marinaihany koa fa nisy mpianatra sasany izay nanao tsikera henjana.

“Saiky tsy mihogo volo mihitsy izy, mahantra kely ny fitafiany, ary matetika tsy mitovyny ba kirarony rehefa mba manao izy. Raha tonga aloha ao am-pianarana izy, dia saikytsy misy mpipetraka ny seza eo an-daniny sy eo an-kilany. Raha tonga tara izy, dia afakamipetraka eo akaikin’ olona, satria izay no mba hany toerana malalaka.

“Fantatro ihany ny fari-piainana misy azy ka hahatakarako ny antony mahatonga azytahak’ izany. Mananotena saiky tsy manana vola miditra ny reniny.

“Tao amin’ izany kilasy izany dia nisy solontenan’ ny mpianatra sy zazavavy voafidy hompanjakan’ ny hatsaran-tarehy tany amin’ ny “lycée” . Tsy vitan’ ny hoe tsara tarehy symanam-pahaizana ireo mpianatra, fa manan-talenta sy mandray anjara amin’ ny fiaraha-mientana maro.

“Indray andro, dia nantsoiko tany amin’ ny biraoko ny anankiroa tamin’ izy ireo arynanontaniako raha te hanatanteraka fahagagana. Nazoto izy ireo. Nolazaiko azy ireo fa ny fahagagana sasany dia moramora ny fitrangany, izay nila fotoana maromaro, saingyfahagagana ihany no ilazana izany na ahoana na ahoana. Rehefa izany dia niresaka kely nymomba ilay zazavavy izahay, ary nomeko andraikitra izy ireo. Ilay solontenan’ ny mpiana-tra dia hitsiky sy hiresaka aminy isaky ny mahita azy any am-pianarana. Izay ihany. Tsyvoatery hiaraka aminy ho namany akory izy; tsy voatery hijanona mba hiresaka aminy; tsyvoatery hifanerasera aminy na hanao zavatra manokana ho azy—fa mitsikitsiky fotsiny,mankahery amin’ ny hoe: “Amiko dia manan-danja ianao’ na ‘Manao ahoana?’

“Ilay mpanjakan’ ny hatsaran-tarehy koa dia nanaiky ny hiara-dalana aminy avy any an-tsekoly mankany amin’ ny seminera. Izay fotsiny. Tsy voatery hampiditra azy ao amin’ny andiana ankizy namany akory izy ankoatra ny mandeha miaraka aminy any amin’ nyseminera isan’ andro. Ny hataony fotsiny dia ny mihazakazaka manenjika azy na mande-ha mora mba hiandry azy, rehefa miampita ny arabe izy ireo, ary ny miresaka izay zava-tra tiany horesahina.

“Nanao ny andraikiny mangingina fa tamim-kafananam-po ny roa tamin’ izy ireo, tsyniteniteny na tamin’ iza na tamin’ iza. Tsy ela dia tonga ny fahagagana. Indray andro diafantatro fa nisy zavatra niova taminy. Saiky ny fotoam-pianarana manontolo no lanikonitadiavana izany zavatra izany. Ary dia hitako ilay izy. Nihogo volo izy tamin’ izayandro izay. Zava-dehibe izany!

“Nandritra ny iray na roa volana tat˜ aoriana, dia nitohy ny fiovana. Nanjary mpinama-na sy niresaka be taminy ilay mpanjakan’ ny hatsaran-tarehy nandritra izany fotoanaizany. Tsy afaka niaraka taminy irery intsony izy, satria teo koa ireo namany nanarakaazy. Ary dia nisy zazavavy hafa tafaraka tamin’ ilay andian-jazavavy, ary vetivety diavoahodidina zazavavy malaza tao am-pianarana ilay zazavavy isan’ andro tao anatin’ireo minitra vitsivitsy ireo.

“Maro loatra ny zavatra mahaliana izay azo tantaraina momba ilay fahagagana. Niovailay zazavavy saro-kenatra, nanao fianarana ambony, nahita asa tsara, nanambady tany

Page 150: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

141

Lesona 33

amin’ ny tempoly, ary ireo izay mahafantatra azy dia tsy hino na oviana na oviana ny fotoana tsy zarizary teo amin’ ny fiainany” (Boyd Kristy. Packer, Teach Ye Diligently[Salt Lake City: Deseret Book Co., 1975], p. 149–50).

Fanadihadiana • Inona no nahatonga an’ io zatovovavy io hiova be?

• Ahoana no ahafahan’ ny tsirairay amintsika manampy ny hafa hahatsapa tiana sy manan-danja?

• Inona araka ny hevitrareo no nianaran’ ilay mpanjakan’ ny hatsaran-tarehy sy ilay solontenan’ ny mpianatra momba ny hasarobidin’ ny fanahy?

Famaranana

Famerenana Avereno jerena ilay fanontaniana voasoratra ao amin’ ny taratasy kely nozaraina tamin’nympianatra. Hazavao fa raha mitodika any amin’ ny olona manodidina azy ny zatovovavy,dia afaka manatanteraka fahagagana eo amin’ ny fiainan’ ny olona hafa sy mitondra faha-sambarana eo amin’ ny fiainany.

Fampiharana ny lesona

1. Iangavio ny zatovovavy tsirairay hinamana sy haneho fitiavana amin’ ny olona milanamana. Araho maso io soso-kevitra io mandritra ny herinandro vitsivitsy manaraka.

2. Raha misy naman’ ny fiangonana na mpikambana mangatsiatsiaka ao am-pianarana, diaiangavio ny mpianatra hifantoka aminy manokana mba hahatsapany ho tiana sy sarobidy.

Page 151: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

142

Ny fifadiana ny tsy fahamarinan-toetra

TANJONA Hifady ny tsy fahamarinan-toetra sy hisoroka ny vokany ny zatovovavy tsirairay.

FANOMANANA Manendre zatovovavy hanolotra ireo tantara, soratra masina ary teny nindramina izay nofidinao.

SOSO-KEVITRA HAMELABELARANA NY LESONA Nodidina isika mba ho marina

• Efa nahita tonta na famandrihana biby ve ianareo? Toy inona izany?

Hazavao fa efa an-jato taona maro izay no nampiasan’ ny olona tonta, fandrika ary longoahamandrihana biby ary hamonoana mihitsy aza. Mampiasa tonta, fandrika ary longoaisan-karazany ihany koa i Satana hamandrihana antsika ary miafara amin’ ny famonoanany Fitarihan’ ny Fanahy Masina ao amintsika. Iray amin’ ny fandrika ampiasainy fahitaindrindra ny tsy fahamarinan-toetra

Fanadihadiana Iangavio ny zatovovavy hitanisa ny sasantsasany amin’ ny karazana tsy fahamarinan-toetra. Azonao soratana mifanao ambony ambany eo amin’ ny lafiny havia amin’ nysolaitrabe ireny. Mety ho tafiditra amin’ ny valin-teny ny mandainga, manao fetsifetsy,mamitaka, mandany tsy amin’ antony ny fotoana, ny fandikana ny lalàm-pifamoivoiza-na, tsy manome karama sahaza ny asa vita, tsy mandoa ny tokony haloa, tsy milaza nymarina tanteraka.

Teny nindramina Vakio ity teny nindramina nataon’ ny Loholona Gordon B. Hinckley manaraka ity: “Tenyambonin’ ny Tendrombohitr’ i Sinay no nanoratan’ ny Tompo ny didy teo ambony vato:‘Aza mangalatra.’ (Eksodosy 20:15). Tsy nisy ny fanitarana na ny fanamarinana. Ary dianarahina didy telo hafa ilay fanambarana, ny fandikana ny iray amin’ izy ireny dia mita-rika tsy fahamarinan-toetra: ‘Aza mijanganjanga.’ ‘Aza manao vavolombelona mandain-ga.’ Aza mitsiriritra.’ (Eksodosy 20:14, 16–17)” (ao amin’ ny Conference Report, Apr.1976, pp. 91–92: na Ensign, Mey 1976, p. 61).

Hazavao fa ny fahamarinan-toetra dia iray amin’ ny tena fitsipika fototry ny filazantsara.Milaza ny olona maro fa ny fahamarinan-toetra no lalàna tena tsara, kanefa lehibe lavitranoho ny lalàna ny fahamarinan-toetra—Fomba fiaina iray mahasambatra.

Misy voka-dratsiny maro ny tsy fahamarinan-toetra

• Inona ireo voka-dratsy maro vokatry ny tsy fahamarinan-toetra?

Azonao soratana mifanao ambony ambany eo amin’ ny ilany havanana amin’ ny solaitrabeny valin-tenin’ ny zatovovavy.

Hazavao amin’ ny zatovovavy ireto fandalinana toe-javatra manaraka ireto. Avelaohiara-mandinika ny tsirairay avy ary hanapaka izay ho vokatry ny tsy fahamarinan-toe-tra amin’ ny fandalinana ny toe-javatra tsirairay. Ampio ny fanazavana omeny ny lisitraeo amin’ ny ilany havanana amin’ ny solaitrabe.

Fandalinana toe-javatra 1

Tsy mipetraka any an-trano miaraka amin’ ny fianakavianao ianao fa amina efitrano miaraka amin’ ny namanao tena akaiky. Mizara aminy mandrakariva izay zavatra nanga-tahiny mba hindramina ianao. Tat˜ aoriana dia tsikaritrao fa mampiasa zavatra izay tsynahazoany lalana avy aminao izy. Tazoniny ela any aminy izany, ary rehefa averiny izyireny, dia sady simba no maloto. Ahoana no ho fiantraikan’ izany fitondrantena izany

Fandalinanatoe-javatra syfanadihadiana

Fanadihadianaeny amin’ nysolaitrabe

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Lesona

34

Page 152: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

143

amin’ ny fifandraisanao amin’ ny mpiray trano aminao? Raha tsy maintsy nanao zavatratoy izany ianao, ahoana no mety ho fiovan’ ny fiheveran’ ny olona anao?

Fandalinana toe-javatra 2

Nandre fifosana ratsy momba an’ i Carma i Sally. Fantany fa tsy marina ilay zavatra tanta-raina kanefa tsy niteny izy ho fiarovana an’ i Carma. Ahoana no ilazana fa tsy marin-toetra iSally? Raha averin’ i Sally ilay lainga, ahoana no mety ho fiantraikan’ izany aminy? Ahoanano mety ho fiantraikan’ izany amin’ i Carma? Ahoana no mety ho fihetseham-pon’ i Sallyraha niteny ny marina izy?

Fandalinana toe-javatra 3

Toa tsy manam-bola ampy mandrakariva ny fianakavian’ i Beth amin’ izay zavatra rehetratadiaviny. Saiky isan’ andro izy no mangataka amin’ ny ray aman-dreniny zavatra vaovaoizay hitany ananan’ ny olona. Noho izy ireo tsy afaka hanome izay zavatra rehetra angata-hiny, dia manomboka mieritreritra fomba ahazoana ireo zavatra ireo samirery izy.Ahoana no mety hitarihan’ ny fitsiriritana amin’ ny tsy fahamarinan-toetra? Inona nomety ho vokatry ny fitsiriritana eo amin’ ny fiainan’ i Beth?

Aorian’ ny fanadihadiana, dia mety hisy an’ ireto manaraka ireto ny lisitra eny amin’ ny solaitrabe:

Tsy matoky anao ny olonaTsy hiasa ny feon’ ny fieritreretanaHo ratsy lazaHo simba ny fifandraisana amin’ ny olona ao amin’ ny fianakaviana sy amin’ ny namanaHametraka fomba ratsyHo very hajaHiala ny Fanahy Masina Tsy hanana fanajan-tena

• Iza no mijaly rehefa manao ny tsy marina ny olona iray? Avelao ny zatovovavy hifanakalo hevitra.

Antitrantero fa olona maro no mijaly, ao anatin’ izany ilay olona izay manao ny tsy marina.

Mitondra fahasambarana ny fahamarinan-toetra

Teny nindramina Vakio ity teny nindramina avy amin’ ny Loholona Howard W. Hunter manaraka ity:

“Matetika isika no milaza ity andinin-tsoratra masina ity: ‘ misy ny olona mba hananafifaliana.’ Misy fifalina izay tonga amin’ ny olona noho izy nanao ny marina. Mamelà ahyhilaza aminareo ny mahatonga izany. Avy amin’ io no ahafahana mahazo ny fiarahanaamin’ ny Mpampianatra sy ahafahanao manana ny Fanahy Masina. Ny fandikana nylalàna mifehy ny fahamarinan-toetra dia tsy hahazoanao ireo fitahiana lehibe roa ireo. . . .Raha te hanana ny fiarahanao amin’ ny Mpampianatra sy ny Fanahy Masina isika dia tsymaintsy manao ny marina amin’ ny tenantsika, marina amin’ Andriamanitra ary amin’ny mpiara-belona amintsika. Mitondra hafaliana marina izany” (“Basic Concepts ofHonesty,” New Era, Feb. 1978, p. 5).

• Amin’ ny fomba ahoana no anampian’ ny fanaovana ny marina antsika hanana ny fiarahanao amin’ ny Mpamonjy sy ny fitarihan’ ny Fanahy Masina?

Tantara Lazao ity tantara, momba ilay zatovovavy Afrikana, manaraka ity izay nahazo fitahianaho azy, ary koa ho an’ ny hafa noho ny fahamarinan-toetrany:

“Vao mangiran-dratsy aninkeo maraina, dia nandeha tany amin’ ny biraon’ ny firaisanatao Dombo Tombo aho, ary raha teo am-pilaharana izahay dia nisy vehivavy nandatsaka20 dôlara tamin’ ny tany. Hitako ny nilatsahan’ izany ary dia nolazaiko azy izany.Noraisiny ilay izy ary hoy izy: “Misaotra anao’.

“Maro tamin’ ireo olona nilahatra no niteny ahy hoe: ‘Ketrina ianao. Adala ianao.Nahoana no tsy nalainao ilay vola dia nividiananao zavatra ho anao?’

“Fa hoy aho hoe: ‘Tsia, tsy hanao izany velively aho satria zanak’ Andriamanitra aho.’

“Rehefa nangina ny rehetra, dia hoy ilay lahy antitra nitsangana tao aoriako, nitenymoramora : ‘Mankany am-piangonana angaha ianao? Toa hita fa zazavavy tsara ianao.’

Page 153: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

144

“Ary hoy aho hoe: ‘Eny, mankany am-piangonana aho.’

“Ary hoy izy: ‘Inona no anaran’ ny fiangonana misy anao?’

“Hoy aho: ‘Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany no anarany.Raha tianao, dia azonao atao ny mankao amin’ ny Efitrano malalaka ao Dombo Tombo nyTalata hariva amin’ ny dimy ora sy sasany na ny Alahady amin’ ny folo ora sy sasany, diaao no hihaonako aminao.

“Ary hoy ilay rangahy: “Ie, ho avy aho!’

“Koa dia faly be aho tamin’ ny zavatra nataoko androany” (Esinath Mutumanji, “Todayin Dombo Tombo,” New Era, Mey 1992, p. 44).

• Ahoana no nitahian’ io zatovovavy io ny fiainany manokana tamin’ ny fahamarinan-toetra nananany? Ahoana no nitahiany ny fiainan’ ny hafa?

Tantara Lazao ity tantara manaraka momba ny fomba nianaran’ ny iray tamin’ ny mpitariky ny Tompo tany Amerika Atsimo ity ny manao ny marina:

“Fony enin-taona i Ben Pantoja, tao Santiago Chili, dia nandeha tsy dia lavitra loatra nytanànan-dray aman-dreniny hividy entana. Rehefa lasa izy ireo, dia hoy ny rahalahin’ iBen valo taona: ‘Andao isika hividy gilasy amin’ ny kôrne.’

Tamin’ izay fotoana izay, ny gilasy amin’ ny kôrne dia tena zava-mamy hafakely ho an’ i Ben sy ho an’ny anabavikeliny Mercedes. Nanontaniany ny zokiny lahy izay hatao mbahahazoan’ izy ireo vola. Nilazany izy ireo fa niteny taminy ny ray aman-dreniny fa rahamila zava-mamy izy ireo dia afaka maka vola ao amin’ ny fitoeram-bolan’ ny fianakavia-na. Fantatr’ i Ben tamin’ ny fony fa tsy marina izany, fa ny fisarihan’ ny gilasy amin’ nykôrne dia nandresy ny feon’ ny fieritreretany momba ny marina.

“Azony ny gilasy tamin’ ny kôrne. Rehefa tonga tao an-trano ny ray aman-dreniny, dianankao amin’ ilay fitoeram-bola ny renin’ i Ben hamerina ny famerim-bola avy niantsenanyary nahatsikaritra fa tsy ampy ny vola. Nanontaniana ireo ankizy ary fantatra ny marina.

“Nanapa-kevitra i Ben Pantoja tamin’ io hariva io fa tsy hamerina hanao ny tsy marinaintsony, tsy hanao zavatra mifanohitra amin’ ny fantany fa marina. Ankehitriny dia anan-kiray amin’ ireo mpitarika any Amerika Atsimo nofinidin’ ny Tompo izy satria nanaja nyfanapahan-keviny” (Lyne Mickelsen, “Stretching the Truth,” New Era, Apr. 1992, p. 4).

Iangavio ny zatovovavy hizara ny zavatra niainany izay mampiseho fa mitondra faha-sambarana ny fahamarinan-toetra.

Iangavio ny zatovovavy hijery tsara ny fiainany manokana ary hanapa-kevitra raha toaka misy zavatra tokony hajanony dieny izao ny fanaovana azy mba hahatonga azy homarin-toetra. Hazavao fa afaka manapa-kevitra ny ho tsara kokoa isika dieny izao mbaho marin-toetra mandritra ny androm-piainantsika sisa.

Famaranana

Nanome torolalana ho antsika, ahafahantsika mamantatra raha toa ka maneho fahamari-nan-toetra ny zavatra iray na tsia ny Loholona Marvin J. Ashton. Anontanio fotsiny nytenanao hoe: “Tsara ve izany? Marina ve izany?’ fa tsy hoe: ‘Fanao ve izany, mahafa-po,mora atao, na ahavoazana?’” Rehefa izany dia araho ny valin-teninao mifono fahamari-nan-toetra. (Ao amin’ ny Conference Report, Apr. 1982,p.13; na Ensign, Mey 1982, p.11)

Soraty eny amin’ ny solaitrabe ireto fanontaniana roa manaraka ireto: “Tsara ve izany?Marina ve izany?”

Entano ny zatovovavy hanontany ireo fanontaniana ireo amin’ ny tenany rehefa mananafanontaniana momba ny hoe: maneho fahamarinan-toetra ve sa tsia ny zavatra iray.

Teny nindrami-na sy solaitrabe

Fanontaniananatao hosain-tsainina

Tantaran’ nympianatra

Page 154: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

Ny fanapahan-kevitra hiarakaamin’ ny olona iray

TANJONA Hahatsapa ny zatovovavy fa mety hisy akony eo amin’ ny hoaviny ny fanapahan-kevinyhiaraka amin’ ny olona iray sy ny atao amin’ izany.

FANOMANANA 1. Manomàna pensilihazo sy taratasy.

2. Raha misy ao amin’ ny faritra misy anao, dia alefaso ny “La chasteté: ce qu’ un hommeaura semé,” na “L’ importance des sorties correctes,” ao amin’ ny horonan-tsary sy feosoirées familiales n°2 (53277 140).

3. Manendre zatovovavy hanolotra ireo tantara, soratra masina na teny nindramina izaynofidinao;

SOSO-KEVITRA HAMELABELARANA NY LESONA Ampamoahana ny fitondrany tena tamin’ ny zatovolahy ny zatovovavy tsirairay

Vakio ny 2 Nefia 10:23. Hazavao fa nomen’ Andriamanitra antsika ny fahefana hisafidy.Raha azo atao faingana ny fanapahan-kevitra sasany eo amin’ ny fiainantsika, ny sasanykosa dia mitaky fieritreretana lalina sy fanomanana mba hahazoana toky fa hitondravoka-tsoa mandrakizay izy ireny. Afaka taona vitsivitsy ny zatovovavy dia hanao fana-pahan-kevitra tena lehibe mikasika ny zatovolahy.

• Inona ireo fanapahan-kevitra lehibe sasany tsy maintsy ataonareo momba ny zatovolahy?

Soraty eny amin’ ny solaitrabe ny valin-teniny. Azo ampiasaina ireto soso-kevitra manarakaireto hanentanana ny fifanakalozan-kevitra.

Hiaraka amin’ ny tsy mpikambana ve aho?Hiaraka amin’ ny zazalahy mifoka na misotro ve aho?Hiaraka amin’ iny olona iray iny foana ve aho mandritra ny maha-zatovovavy ahy?Inona ny fetra eo amin’ ny firaisan’ ny lahy sy vavy hohazoniko alohan’ ny fanambadiana?Inona no ho fepetra raisiko momba ny fitafy, ny fiteny ary ny fihetsika?Inona no toetra tsy maintsy ananan’ ny zatovolahy iarahako?Hanaraka ny môdelin’ny hasina mafy orina ve ny eritreritro? Hiaina araka ny fitsipiky ny filazantsara ve aho?

Iangavio ny zatovovavy handinika miaraka ny antony maha-zava-dehibe ireo fanapa-han-kevitra ireo.

Hazavao fa ny fanapahan-kevitra ataon’ ny zatovovavy momba ny zatovolahy mandritrany fahamatorany dia hanana akony lehibe marina tokoa amin’ ny fahasambarany ho avysy ny fahasambaran’ ny fianakaviany noho ny fanapahan-kevitra raisiny mandritra nyfotoana hafa amin’ ny fiainany.

Nanome torohevitra hanampiana ny zatovovavy eo amin’ ny fifandraisany amin’ ny hafa ny Tompo

Fanadihadiana • Amin’ ny fomba ahoana no hanampian’ ny Fiangonany anao eo amin’ ny fifandraisanaoamin’ ny zatovolahy?

Azo dinihina miaraka ireto hevitra manaraka ireto: valin’ ny vavaka amin’ ny fo; fitarihan’ny Fanahy Masina; valiny avy amin’ ny soratra masina, torohevitra avy amin’ ny ray aman-dreny; torohevitra avy amin’ ny mpitarika, ny mpampianatra ao amin’ ny fiangonana aryny hafa; ary ny fampianarana azo avy amin’ ny fivorian’ ny Fanasan’ ny Tompo, ny SekolyAlahady sy kilasin’ ny Zatovovavy, ary ny fihaonambe.

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Fanadihadianaampiasanasolaitrabe

Famakafakanasoratra masina

Lesona

35

145

Page 155: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

146

Teny nindramina Hazavao fa ireto teny nindramina manaraka ireto dia oha-pampianarana omen’ ny mpi-tarika ny Fiangonana momba ny fiarahana amin’ ny olona. Asaovy vakin’ ny zatovovavyireo teny ireo; aorian’ ny famakiana ny teny nindramina tsirairay, dia anontanio ny zato-vovavy hoe: Inona no tsapanao momba io torohevitra io? Ahoana no iheveranao fa metyho fitahiana ho anao io torohevitra io?

1. “Tsarovy ry zatovovavy ny maha-zava-dehibe ny fiarahana madio. . . . tian’ ny Raintsikaany an- danitra ny hiarahanareo amin’ ny zatovolahy izay mpikambana mahatoky aoamin’ ny Fiangonana, izay ho mendrika ny hitondra anao any amin’ ny tempoly ary hiva-dy amin’ ny fomban’ ny Tompo. Hisy fanahy vaovao ao Ziona rehefa hiteny amin’ nynamany lehilahy ny zatovovavy hoe: ‘raha tsy mahazo fahazoandalana mankany amin’ ny tempoly ianao, dia tsy hamatotra ny fiainako aminao aho, na dia eto an-tany aza!’ . . .

“Ry anabavy tanora, manana fanantenana toy izany aminareo izahay. Manana zavatraandrandraina toy izany aminareo izahay. Aza mianina amin’ ny zavatra kely noho nytian’ny Tompo hahatongavanareo” (Ezra Taft Benson, “To the Young Women of theChurch,” Ensign, Nôv. 1986, p. 84).

2. “Miomana dieny izao hanambady any amin’ ny tempoly. Ny fiarahana madio dia anisan’ izany fiomanana izany.

“Amin’ ny fanabeazana izay azo atao momba ny fiarahana amin’ ny olona, dia aoka tsyhiaraka amin’ ny olona mandra-pahatongan’ ny fahenina ambin’ ny folo taona. Tsy nyzatovo rehetra no mila izany na te hanao izany. . . .

“Rehefa manomboka miaraka amin’ ny olona ianao, miaraha amin’ ny andiana olonamaro na miaraka amin’ ny olon-droa hafa. Fadio ny miaraka amin’ ny olona iray diairay iny ihany. Ataovy izay hihaonany sy hahafantaran’ ny ray aman-dreninao nyolona miaraka aminao. Aoriana kely, dia ho tonga ny fotoana hifidiananao anankiraymonja. Indraindray dia azonao asaina amin’ ny fiaraha-mientana miaraka amin’ ny fianakavianao ny olona miaraka aminao, raha tianao.

“Manomàna fiaraha-mientana tsara sy mampivelatra rehefa miaraka ianareo. Manaovazavatra hanampy anao hifankafantatra. Aoka mba handeha amin’ ny toerana misy tontolo tsara izay tsy hiatrehanareo fakampanahy.

“Satria fiomanana amin’ ny fanambadiana ny fiarahana amin’ ny olona, dia aoka tsy hia-raka afa- tsy amin’ ireo izay manana fenitra ambony, izay manaja ny fenitra arahinao, aryamin’ireo izay ahafahanao mitazona ny fitsipiky ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy ny fiara-hana aminy” (Ry tanora, mahereza, p. 7).

Tokony haneho fitiavana ao anatin’ ny fetra napetraky ny Mpaminanin’ ny Tompo isika

Hazavao fa nanome ihany koa torohevitra nentanim-panahy momba ny fanehoana fitiavana eo amin’ ny fifandraisan’ ny olona miaraka ireo mpaminany. Mba hanarahan’ny zatovovavy ilay torohevitra, dia misy teny sasantsasany izay tokony ho takany.

• Inona no maha samy hafa ny fitiavana amin’ ny fahavetavetana? (Ny fitiavana diafitsinjovana tsy misy fitiavan-tena, izay mikatsaka ny soa ho an’ ny olona hafa. Ny fahavetavetana dia filana tsy azo ferana sy tia tena hahazoana fahafinaretan’ ny nofo.)

Teny nindramina Vakio ity teny nindramina nataon’ ny Filoha Spencer W. Kimball ity:

“Raha tena tia olona iray hafa ny olona iray, dia aleony maty ho an’ ilay olona toy izayhanimba azy. Amin’ ny fotoana fanaranam-po, ny fitiavana madio dia hivoaka ny vara-varana iray raha misosoka hiditra amin’ ny anankiray hafa ny fahavetavetana . Voasolon’ny materialisma biolojika sy ny filana tsy voafehy ny fitiavanao. . . .

“Raha mirona amin’ ny fahavetavetana izay mitarika amin’ ny firaisana ara-nofo sy nyfanaranana fo ny olona tsy manambady, dia navelany hanjaka ny nofo ary napetrany teoamin’ ny fatorana ny fanahy. Tsy azo eritreretina ny ahafahan’ ny olona milaza izany hofitiavana” (Spencer W. Kimball, Faith Precedes the Miracle [Salt Lake City: Deseret BookCo., 1972], p. 154).

Hazavao fa raha te hitahiry ny fifandraisana eo amin’ ny olona miaraka aminy ho finaritrasy mendrika ny zatovovavy, dia tsy maintsy tazoniny ao anatin’ ny fetra napetraky nyTompo tamin’ ny alalan’ ireo mpaminaniny ny fanehoany ny fitiavany. Atolory, na asaovyatolotry ny zatovovavy ireto fepetra fanehoana fitiavana mandritra ny fiarahana amin’ nyolona manaraka ireto:

Ny fitsipikaavy amin’ nympaminany

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Page 156: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

147

Fifanorohana: “Porofom-pitiavana ny oroka. Porofom-pitiavana fa tsy porofon’ nyfilana–kanefa mety ho lasa toy izany. Aoka ny oroka ifanomezana amin’ ny fihontihontia-na tsy haneho filana. Ny fifanafosafoana sy ny fifanorokorohana dia fahavetavetana; tsyfitiavana ireny. . . . Tsy heveriko fa ratsy ny mifanoroka aorian’ ny fiarahana imbetsaka;. . . tsy oroka maneho filana fa oro-pitiavana” (Spencer W. Kimball, The Miracle ofForgiveness, p. 225).

Fiarahana mitokana irery: “ Tamin’ ny tafa sy dinika tamin’ ireo tanora nibebaka, ary koaolon-dehibe, dia matetika no nilazana tamiko fa tao anaty haizina no nahalavo ireo olon-droa, amin’ ny fotoana diso aoriana, amin’ ny toerana mangingina. . . .Ny fiara no mateti-ka toerana nolazaina fa nitrangan’ ny olana” (Spencer W. Kimball, The Miracle ofForgiveness, p. 65).

Fifanafosafoana sy fifanorokorohana: “Amin’ ireo otan’ ny fitondrantena maloto dia ny fifa-nafosafoana sy fifanorokoroana no fanaon’ ny tanorantsika. Tsy vitan’ ny hoe mitarikaany amin’ ny fijangajangana, vohoka ary fanalan-jaza ireo fiarahana tsy madio ireo—izaysamy ota maharikoriko—fa sady faharatsiana mandoza na ny fonosiny na ny aminy”(Spencer W. Kimball, The Miracle of Forgiveness, p. 65).

Hazavao fa ny Ray any an-danitra be fitiavana no manome ireo fitsipika ireo antsika. Ny fahatsapana ftiavana avy ao am-po dia notendren’ Andriamanitra. Toroana hevitraanefa isika hifehy ireo fahatsapana sy fanehoam-pitiavana ireo ary tsy hamela azy ireohifehy antsika .

Asaovy vakin’ ny zatovovavy ny Almà 38:12.

• Amin’ ny fomba ahoana no ahafan’ ny fahafahana mifehy ny fihetseham-pontsikamanampy antsika ho heniky ny fitiavana marina?

Hazavao fa indraindray ny safidy hifehy ny fihetseham-pontsika sy hitandrina ny fitsipi-ky ny Tompo dia tsy mora, kanefa manampy amin’ ny fahasambarantsika mandrakizayireo safidy ireo.

Afaka mametraka fepetra isika dieny izao

Amin’ ny fampiasana ireo teny nindramina ao anaty lesona sy ny fombafomba eo an-toe-rana, dia aoka ny kilasy hametraka fepetra izay ho tian’ ny zatovovavy arahina amin’ nyfifandraisany eo amin’ ny zatovolahy. Soraty eny amin’ ny solaitrabe ireny. Omeo tarata-sy sy pensilihazo ny zatovovavy tsirairay ary asaovy raisina an-tsoratra ireto fanapahan-kevitra ireto ho tahirin-kevitra azo jerena.

Mety ho anisan’ ny fanapahan-kevitra ireto manaraka ireto.

1. Ireo tanora izay miaina ny fitsipiky ny Fiangonana ihany no hiarahako.2. Ireo fiaraha-mientana manaraka ny fitsipiky ny Fiangonana ihany no hatrehiko.3. Hatokako amin’ ny fanambadiana ny firaisana ara-nofo.4. Ireo fitsipika ambony momba ny fahamaontinana eo amin’ ny fomba fiakanjo, fiteny

ary fihetsika no arahako.5. Hosoratako ireo toetra manokana izay tokony hananan’ ireo zatovolahy miaraka amiko.6. Hiverina any an-trano madio sy tsy misy mahamenatra aho isaky ny avy miaraka

amin’ ny namako.7. Resahiko amin’ ny ray aman-dreniko ny zavatra niseho nandritra ny fiarahako tamin’

ny namako.

Antitrantero fa afaka manana fifandraisana madio sy mampivoatra amin’ ny zatovolahyny zatovovavy tsirairay raha maka fanapahan-kevitra tsara ary manaraka ny torohevitryny Tompo izy.

Famaranana

Hazavao fa ny fanapahan-kevitra raisin’ ny zatovovavy momba ny fiarahana amin’ ny olona sy ny fifandraisana amin’ ny zatovolahy dia hanana akony amin’ ny fiainanymandritra ny fiainany mandrakizay. Tolory hevitra ny mpianatra hametraka ny lisitranataony momba ny fanapahan-kevitra fototra amin’ ny toerana izay ahafahany mijeryazy ireny matetika.

Fanadihadianaampiasanasolaitrabe

Famakafakanasoratra masina

Lesona 35

Page 157: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

148

Ny fenitra amin’ ny fanambadiana

TANJONA Hametraka fenitra amin’ ny fanambadiany ny zatovovavy tsirairay.

FANOMANANA 1. Sary 15, Ireo omby mitondra zioga (62233), any amin’ ny faran’ ny boky fampianarana.

2. Vatsio pensilihazo sy taratasy ny zatovovavy tsirairay.

3. Manomàna afisy izay milaza hoe: “Ny fanambadiana angamba no tena lehibe amin’ nyfanapahan-kevitra rehetra ary manana akony miantefa lavitra, satria tsy ny fahasamba-rana amin’ izao fotoana izao fotsiny no iantohany fa ny fifaliana mandrakizay koa.”(Spencer W. Kimball)

4. Isafidianana: Manomàna taratasy hozaraina araka ny atolotra any amin’ ny faran’ ny lesona.

5. Manendre zatovovavy hanolotra ireo tantara, soratra masina na teny nindramina izay nofidinao.

SOSO-KEVITRA HAMELABELARANA NY LESONA Fampidirana

Tantara Hazavao fa indray andro ny mpandraharaha malaza sy nohajaina iray dia nanontaniana nyzavatra nahatonga ny fahombiazana dimy amby roapolo taona azon’ izy sy ny mpiara-miasa aminy tao amin’ ny fandraharahana niandraiketan’ izy ireo. “Zavatra maro no naha-tonga izany”, hoy izy, “kanefa raha anankiray ihany no hosinganiko, dia noho izaho nifidympiara-miasa tsara. Tsy natao anjoanjo na ara-keviny izany fanapahan-kevitra izany, tahakany fahita matetika any amin’ ny fandraharahana maro. Nipetraka aho ary nanao lisitra nytoetra sy ny toetoetra tsy maintsy ananan’ny mpiara-miasa amiko amin’ ny ho avy. Nilaikony nahafantatra raha mitovy amin’ ny ananako ny finoana, ny firehana ary ny tanjona ana-nany momba ny fandraharahana. Na izany na tsy izany, tsy fifandraisana handalo izany.Nitady fotoana naharitra aho, fa rehefa nahita olona nanana firehana mitovy ary nanaiky nytanjoko aho, dia naorinay ny fandraharahanay. Samy nandia fotoan-tsarotra sy fotoana zinaizahay, nefa na dia teo aza izany, dia nifikitra tamin’ ny fenitra napetrakay izahay, niara-nioitra izahay, ary samy nanao ny tandrify azy ny tsirairay hampandeha ny raharaha.”

Fanadihadiana Iangavio ny zatovovavy hanolotra ireo fenitra sasantsasany mety ho napetrak’ io mpan-draharaha io hifidianana mpiara-miasa.

Asehoy fa manana fahafahana hifidy mpiara-miasa ho amin’ ny fiaraha-miasa manan-danjakokoa noho ny fandraharahana isika. Iangavio ny zatovovavy hilaza ny zavatra tianao lazai-na. (Fiarahana amin’ ny fanambadiana.) Soraty eny amin’ ny solaitrabe ny hoe: Fiarahanaamin’ ny fanambadiana mandrakizay sy sambatra.

Mitarika antsika hifidy izay ho vady ny fenitra marina

Hazavao fa indrisy, maro ny olona mandany fotoana amin’ ny fifidianana mpiara-miasa,trano fonenana, na fiarakodia mihitsy aza noho ny fifidianana izay ho vady. Satria moraangamba izany tia izany ka aleo ny fientanam-po no hibaiko ny fihetsika. Mety ho hitan-tsika any aoriana any fa ilay olona notiavintsika dia mety tsy tena hanana ireo fenitranantenaintsika hananan’ ny vadintsika. Ny fanambadiana nirotoroto, tahaka ny raharahatsy dia azo antoka loatra, dia mety hiafara amin’ ny fisarahana mangirifiry na amin’ nyfianam-pianakaviana tsy sambatra. Matetika dia azo nosorohina hatrany am-boalohanyio alahelo io, raha napetraka ny fenitra ka narahina.

Afisy Apetaho ilay afisy nomaninao. Hazavao izao voalazan’ ny Filoha Spencer W. Kimballizao: “Ny fanambadiana angamba no tena lehibe amin’ ny fanapahan-kevitra rehetra ary

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Lesona

36

Page 158: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

149

manana akony tena miantefa lavitra, satria tsy ny fahasambarana amin’ izao fotoana izaofotsiny no iantsorohany fa ny fifaliana mandrakizay koa”. (Marriage and Divorce [SaltLake City: Deseret Book Co., 1976], p. 11)

Fampiasana Omeo ravin-taratasy sy pensilihazo ny zatovovavy. Iangavio izy hanao lisitra ny toetoe-tra tiany ho hita amin’ izay ho vadiny any aoriana. Iangavio ny zatovovavy hitahiry ilaylisitra mba hojerena amin’ ny lesona aoriana kely. Ampahatsiahivo izy ireo fa raha ohatraka ireo olona niarahany no ho vadiny, dia azo ampiasaina ho torolalana amin’ ny fiaraha-na amin’ ny olona io lisitra io.

Hazavao amin’ ny zatovovavy fa hiaraka mandrakizay amin’ izay ho vadiny izy. Tokonyhametraka fenitra amin’ ireo lafiny tena manan-danja izy ireo mba hitarika azy hifidyilay olona. Hita ao amin’ ny soratra masina ny fitsipika iray amin’ izany. Iangavio nyzatovovavy hitady sy hamaky ny Korintiana faharoa 6:14.

Anontanio ny zatovovavy raha fantany ny dikan’ ny teny hoe “zioga mitovy”. Asehoy ny sary misy ireo omby mitondra zioga.

Hazavao fa ny biby toy ny omby sy ny soavaly dia ampiasaina any sy amin’ ny faritramaro maneran-tany mba hanao asa mafy toy ny mitarika kalesa manosy tanim-bary. Nyzioga, izay vatan-kazo, dia manakambana ny biby amin’ ny tendany. Tsy ela dia hita faraha mitondra “zioga mitovy” na mifandanja ireo biby ireo, dia samy afaka manao nytandrify azy tsirairay sy mizaka ny anjara vesatra ho azy avy. Raha tsy mitovy ny ziogaentiny” na tsy mifandanja, dia tsy afaka hiara-hiasa tsara toy ny ekipa izy ireo. Mety han-deha mialoha na hizaka ho azy irery ny ankamaroan’ ny vesatra ny biby iray, raha nyiray hafa hanaraka avy ao aoriana ka haharary mafy ny tendany. Azo ampiharina amin’ny fanambadiana io fiheverana io. Misy fomba fijery ny fanambadiana sasany izay toko-ny hampifanaraka ny mpivady. Anankiray amin’ ireny ny finoana ara-pivavahana.

Fanadihadiana Anontanio ny zatovovavy ny lafiny hafa tokony hampifanaraka ny olon-droa alohan’ nyhibanjinany fanambadiana. Mety hisy an’ ireto manaraka ireto ny valin-teniny: fitsipikaara-pitondrantena, fiaraha-mientana sy fanompoana ao am-piangonana, tanjona ho an’ny fianakaviana sy ny fanabeazana, zava-mahaliana sy fahalalana.

• Inona no mety hitranga raha tsy mifanaraka ny mpivady amin’ ireo lafiny ireo?

Asehoy fa samy manana ny maha-izy azy sy ny talentany ny olona tsirairay. Tsy maintsymianatra manome sy mandray avy amin’ ny olona miaraka aminy ny olona tsirairay, aryafaka mifameno amin’ ny fahasamihafana ny mpivady. Misy lafiny sasany anefa izay tsyvahaolana tsara ny marimaritra iraisana. Ny zava-dehibe dia ny itovizan’ ny mpivadytanjona mandrakizay sy lalan-kizorana. Ilain’ ny tsirairay amin’ ny mpivady ny samymitarika ny vesatra ho azy ao amin’ ny fanambadiana.

Ny fenitra tena lehibe ho an’ ny zatovovavy iray dia ny fanontaniana hoe: “Inona no fiheveran’ ny zatovolahy iray ny Tompo?

• Ahoana no maha-fitarihana ny valin’ io fanontaniana io eo amin’ ny fifidianana izay ho vady?

Hazavao fa naniry ny hananan’ izay ho vadiny toetra tsy mora misendaotra tahaka nynananan’ ny olona tao amin’ ny fianakaviany nandritra ny fahazazany ny zatovovavyiray. Nahita indray ny zatovovavy iray hafa fa nanao asa fanompoana betsaka tamin’ nyFiangonana ny fianakaviany ary nahazo fitahiana betsaka noho izany. Nametraka fepetraizy fa izay ho vadiny dia ho vonona hanao karazana fanompoana toy izany sy handrisikany fianakaviany hanao toy izany koa. Ny zatovovavy iray hafa indray dia nila nandanja-lanja raha toa ka ho afaka ho vady manohana tovolahy izay mieritrerita ny ho mpilalaofanatanjahan-tena maty hanina, izay mitaky zavatra betsaka. Nilainy ny hanapa-kevitraraha hamela azy sy ny vadiny hanaraka ny fenitra takin’ ny fiainam-pianakavia-na izay napetrany momba ny fanambadiany io asa io.

Iangavio ny zatovovavy hizara amin’ ny kilasy ny fenitra sasany izay katsahany amin’ nyvadiny.

Tsy maintsy manaraka ny fitsipika marina isika

Hazavao fa tokony hanombatombana ny fiainany ny zatovovavy ary haka toky fa miainaaraka ny fitsipika izay katsahiny amin’ izay ho vadiny izy ireo.

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Famelabelaranaataon’ ny mpampianatrasy fanadihadiana

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Sary sy fanadihadiana

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Page 159: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

150

Nitantara momba ny zatovovavy iray izay nametraka fenitra amin’ ny fanambadianatovolahy izay manana fitondrantena ambony mitovy amin’ ny azy ny Loholona David B.Haight. Nohajainy nandritra ny fiainany niarahany tamin’ ny olona io fitsipika io.

“Tsaroako ny fijoroana ho vavolombelona nataon’ ny vehivavy tanora iray tamin’ nyfihaonamben’ ny tsatòka, izay nitantarany ny taona niarahany tamin’ olona. Nanampy azy hahatakatra ireo loza mitatao ny reniny. Ankehitriny vehivavy tanora vao vita maria-zy izy. . . afaka mijery manatrika ny vadiny mipetraka eny aloha ao am-piangonana. . . arymirehareha ny aminy, mahatsiaro ny fiontiontina mahafinaritra sy ny fiarahany: nivadytany amin’ ny tempoly, tsy manana zavatra hafenina, tsy misy nenina. Notantarainy nyfakampanahy nanjo azy ireo. Ny tempoly anefa no tanjony. Fantany ny fahasamihafana eoamin’ ny oroka madio sy ny fifanorokorohana. Fantany fa mihavery tsikelikely ny hasina.Drafitra voahevitra tsara ny azy ireo, nifady ny nametraka fiara tamin’ ny lalana manginasy ny fiarahana mitokana diso hariva loatra” (“The Uttermost Part of the Earth,” tao amin’ny Speeches of the Year, 1978 [Provo : Brigham Young University Press, 1979], pp. 168–69).

Fanadihadiana • Inona ny zavatra tsara nitranga noho io tovovavy io nanaraka ny fenitra napetrany?

Tantara Nilaza tantarana zatovovavy iray izay nametraka fenitra ny hanambady any amin’ nytempoly ary nahazo fitahiana noho ny nanarahany ilay fenitra napetrany ny LoholonaMarvin J. Ashton:

“Hoy ny mpikambana [iray] ao amin’ ny fiadidiana ny tsatòka tamiko: ‘Be ny zavatratokony hataon’ ny vadiko amin’ io antso izay tonga aminay io. Fony izahay niaraka, nangatsiatsiaka aho tao amin’ ny Fiangonana. Nanana fahasahiana aho indray harivananontany azy raha te hanambady ahy izy. Tsy niteny eny tamin’ io fikasana io izy no tsyniteny tsia koa. Hoy izy: “Aiza?” Laniko nandaminana ny fiainako ireo volana manarakamba hahafahako mitondra azy any amin’ ny tempoly. Efa nanao drafitra izy, ary ampyny fitiavako azy ka namboariko ny lalako hifanojo amin’ ny azy. Fantatro ny hatao sy nylalana tokony halehako raha te hiara-dalana eo anilany ao’” (“Yellow Ribbons andCharted Courses,” New Era, Jolay 1981, p. 16).

Fanadihadiana • Toa inona no saika fanambadian’ io tovovavy io raha nivadika tamin’ ny fenitra napetrany izy?

Famaranana

Ivereno jerena indray ilay afisy nampiasaina tao amin’ ny fizarana faharoa tamin’ nylesona. Antitrantero ny maha-zava-dehibe ny mametraka fepetra marina mba hahafahan’ny zatovovavy tsirairay manana vady mifanentana aminy ao anatin’ ny fanambadianasambatra sy mandrakizay.

Raha nanomana taratasy hozaraina amin’ ny zatovovavy ianao, dia zarao ireny.

Fampiasana Iangavio ny zatovovavy hijery indray ilay lisitra nataony tany amin’ ny fiandohan’ nylesona. Ankehitriny, efa nandre ny lesona izy ireo ka iangavio hanamboatra na hanampyny lisitra nataony. Iangavio izy ireo hitahiry ireny lisitra ireny ao anatin’ ny diariny aryhijery izany matetika ho torolalana amin’ ny fiarahany amin’ ny olona sy amin’ ny fanapahan-keviny amin’ ny fanambadiana.

Korintiana faharoa 6:14

Sokafy tsara ny “masonao”

hahafantaranao izay ho vadinao.

Hikambana aminy

.mandrakizay ianao. Makà

toky fa tanjona iray ihany no banjinin’ ny

“masonareo”.

Taratasy hozaraina:azo isafidianana

Page 160: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

151

Ho fenitra ny tenin’ Andriamanitra

TANJONA Hamantatra ny fomba ahafahana mampiasa ny tenin’ Andriamanitra ho fenitra manoloa-na ny filôzôfian’ izao tontolo izao ny zatovovavy tsirairay.

FANOMANANA 1. Ataovy izay hananana ny sarin’ ny mpaminanin’ ny Fiangonana amin’ izao fotoana izao.

2. Manomàna afisy misy sary sy lohateny an-gazety mampiseho ny sasany amin’ ny filô-zôfian’ izao tontolo izao sy ny olana atrehin’ ny zatovovavy eo amin’ ny faritra misyanao. Asio sarin’ ny mpaminany sy soratra masina nankatoavin’ ny Fiangonana mifa-natrika amin’ ilay afisy. Asio sarin’ ny zatovovavy ao amin’ ny kilasinao eo anelanelan’ireo sary roa ireo.

3. Manendre zatovovavy maro hanao tatitra momba ny lohahevitra izay nofantenanaoavy amin’ ny fanovozan-kevitra ao amin’ ny faran’ ity lesona ity. Omeo torohevitramomba ny fanovozan-kevitra mifandray amin’ ny lohahevitra nomena azy ny zatovo-vavy tsirairay. Azonao omena fanampim-panovozan-kevitra avy ao amin’ ny soratramasina, avy amin’ ny gazetibokim-piangonana nivoaka farany ary avy amin’ ny lahate-ny tamin’ ny fihaonambem-piangonana izy, raha tianao. Omeo fotoana voafetra hifana-raka amin’ ny famelabelarana ataonao ny zatovovavy tsirairay.

4. Manomàna fanontaniana sy fanovozan-kevitra izay hahafahanao mamintina symanampy ny tatitra ataon’ ny zatovovavy.

5. Isafidianana: Manomàna taratasy hozaraina ho an’ ny zatovovavy tsirairay (jereo anyamin’ ny faran’ ny lesona).

6. Manendre zatovovavy hanolotra ireo tantara, soratra masina na teny nindramina izaynofidinao.

SOSO-KEVITRA HAMELABELARANA NY LESONA Miatrika olana avokoa ny zatovovavy

Fanazavana afisy Asehoy ny afisy nomaninao. Hazavao fa mampiseho ny sasany amin’ ny filôzôfian’ izaotontolo izao sy ny olana atrehin’ ny zatovovavy amin’ izao fotoana izao izany. Asaovytanisain’ ireo zatovovavy ny filôzôfian’ izao tontolo izao, izay azony fantarina avy amin’ny afisy. Soraty eny amin’ ny solaitrabe ny valin-teniny. (Jereo ny valin-teny azo raisinaeo amin’ ny afisy vita eo amin’ ny solaitrabe.)

• Iza no tompon’ ireo olana sy filôzôfia diso ireo? (Satana.)

• Ahoana no hanimban’ ireo filôzôfia ireo ny zatovovavy?

Hazavao fa manohana filôzôfia diso maro i Satana, izay mamitaka sy mandiso lalana nyolona. Tsy tokony ho voafitaka isika na dia izany aza. Notahina isika amin’ ny fanananany soratra masina sy ireo fampianaran’ ny mpaminany amin’ izao andro izao mba han-dresena ny tsirairay amin’ ny fitaomana ratsy voasoratra eny amin’ ny solaitrabe.

Lesona

37

Page 161: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

152

Hita ao amin’ ny soratra masina ny fenitra hiatrehana ny olana

Iangavio ny zatovovavy hitady sy hamaky ny 2 Nefia 31:20.

• Inona no atolotr’ i Nefia hataontsika? (Mandrosoa amin’ ny fiorenana ao amin’ i Kristy,tiavo Andriamanitra sy ny olona rehetra, mivokisa amin’ ny tenin’ i Kristy ary maharetahatramin’ ny farany.)

Iangavio ny zatovovavy hitady sy hamaky ny Petera voalohany 1:24–25.

• Inona no ampianarin’ io soratra masina io momba ny fahasamihafana misy eo amin’ ny filôzôfian’ olombelona sy ny tenin’ Andriamanitra.

Sary Sariho any amin’ ny sarin’ ny mpaminany sy ny soratra masina nankatoavina aseho nysain’ ny zatovovavy. Asehoy fa afaka mahafantatra ny fahamarinana avy amin’ ny Rayany an-danitra araka ny nampianarin’ ireo mpaminany sy araka ny hita ao amin’ ny soratra masina ny zatovovavy.

Asao ireo zatovovavy voatendry mialoha hanolotra ny tatitra nomaniny miompanaamin’ ny fanovozan-kevitra any amin’ ny faran’ ny lesona. Hazavao fa hampiseho nyfomba ahafahana mampiasa ny tenin’ Andriamanitra ho fenitra hiatrehana ny filôzôfian’izao tontolo izao ireo tatitra ireo. Rehefa vita ny tatitra tsirairay, dia soraty eny amin’ nysolaitrabe ny fitsipiky ny filazantsara mifanohitra amin’ ny filôzôfia tsirairaiy izay an’izao tontolo izao ho enti-mandravaka izany.

Makà toky fa mazava ny soratra masina sy ny fotopampianarana. Antitrantero ny fombaizay handresen’ ny fahamarinan’ ny filazantsara ny hevi-dison’ i Satana. Araho maso nyfotoana lany amin’ ny tatitra tsirairay mba ho tafiditra amin’ ny fotoam-pampianarana.

Famaranana

Hazavao fa manome torohevitra amin’ ny fandresena ny fitaoman’ i Satana ary ny fiainaaraka ny fitsipika marina ireto soratra masina manaraka ireto:

Ohabolana 3:5–6Almà 37:35, 37Môrônia 7:16–17Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:18

Azon’ ny zatovovavy vakina mafy ireo, na azonao omena ny zatovovavy ireo taratasyhozaraina misy soratra masina hohalalinina any an-trano.

Fampiasana

1. Raha manana olana manokana amin’ ny fandresena ny filôzôfian’ izao tontolo izao nyzatovovavy, ampio izy amin’ ny famakiana sy fandalinana ny tenin’ ny Tompo sy nympaminany mandra-pahatsapany filaminana sy fiadanana.

2. Manasà mpandaha-teny za-draharaha, nankatoavin’ ny mpitarika ny fisoronana eo an-toerana, hitarika dinidinika amorom-patana momba ny lohahevitra iray na mihoatraavy amin’ ny lesona. Omeo fotoana hanaovana fanontaniana sy fanadihadiana ny zato-vovavy aorian’ny lahateny.

Famakiana soratramasina na taratasyhozaraina

Tatitra ataon’ nympianatra

Famakafakanasoratra masina

Filozôfian’ izao tontolo izao Fitsipika sy fahamarinan’ ny filazantsara

Fisaraham-panambadiana FanambadianaTsy misy ilana zanaka Ny andraikitry ny ray aman-dreny Fanalan-jaza Ny mahamasina ny fiainanaFahavetavetana Hasina sy fahadiovam-pitondrantenaPôrnôgrafia Soratra masina sy boky tsaraFifohana, fisotro misy alikaola Tenin’ ny fahendrenaary zavatra mahadomelina Fanandroana Astrônômia (fahaizana ny momba ny kintana)

Page 162: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

153

FANOVOZAN-KEVITRA 1. Fanambadiana

“Ampianarina isika fa ilaina ny fanambadiana mba hanatanterahana ny drafitr’Andriamanitra, mba hampisy ny fahaterahana eto an-tany amin’ ny fomba nankatoavinaary mba hanomana ny olona ao amin’ ny fianakaviana ho amin’ ny fiainana mandraki-zay. ‘Nodidin’ Andriamanitra ho an’ ny olona ny fanambadiana,’ hoy ny Tompo, ‘mbahahafahan’ ny tany manoina ny tanjon’ ny fahariana azy; ary mba hahafahany ho feno nyfatran’ ny maha-olona, araka ny nahariana azy alohan’ ny nanaovana izao tontolo izao’(jereo F&F 49:15–17).

“Ny fiheverantsika ny fanambadiana dia entanin’ ny fahamarinana nambara, fa tsy nohony fahalalana momba ny fandehan-javatra eo amin’ izao tontolo izao. Nampianatra iPaoly apôstôly hoe: ‘Kanefa ao amin’ ny Tompo tsy misy vehivavy raha tsy misy lehila-hy’ (Korintiana voalohany 11:11). Nanazava ny Filoha Spencer W. Kimball hoe: ‘Raha tsymisy fanambadiana ara-dalàna sy mahomby, dia tsy hisandratra na oviana na oviana nyolona’ (Marriage and Divorce [Salt Lake City: Deseret Book Co., 1976], p. 24)” (Dallin H.Oaks, ao amin’ ny Conference Report, Okt. 1993, p. 100; na Ensign, Nôv. 1993, p. 74).

2.Ny fananan-janaka

“Hoy ny Filoha [Spencer W.] Kimball: ‘Fihetsika mitory fitiavan-tena mihoa-pampana eoamin’ ny mpivady ny mandà tsy hanan-janaka rehefa afaka manao izany izy ireo’ (ao amin’ny Conference Report, Apr.1979, p. 6; na Ensign, Mey 1979, p. 6). Rehefa mangataka androtsy hiteraka ny mpivady vao mandra-pahatrarany ny tanjony ara-nofo, ny famelana tsotrany fotoana handeha dia maneho fa nahenany ny fahafahany mandray anjara amin’ ny fampandrosoana ny drafitry ny Raintsika any an-danitra ho an’ ny zanany fanahy rehetra.Tsy azon’ ny Olomasin’ ny Andro Farany mahatoky atao ny mihevitra fa sakana ho an’ ny antsoin’ izao tontolo izao hoe ‘fivelaran’ ny tena’ ny zanaka. Ny fanekempihavanananataontsika tamin’ Andriamanitra sy ny tanjona farany amin’ ny fiainana dia mifamatotraamin’ ireny madinika ireny izay miandrandra ny fotoantsika, ny fitiavantsika ary ny sorona ataontsika.

“Firy ny zanaka tokony hananan’ ny mpivady? Izay rehetra azony karakaraina! Marinafa midika zavatra amboniny noho ny manome azy ireny aina ny mikarakara zanaka. Tsymaintsy tiavina, kolokoloina, ampianarina, fahanana, tafina, omena trano fonenana arytsara hofana amin’ ny fahafahany ho ray aman-dreny ihany koa ny zanaka” (Dallin H.Oaks, ao amin’ ny Conference Report, Okt. 1993, p. 101; na Ensign, Nôv. 1993, p. 75).

“Ny môdelin’ ny fianakaviana napetraka talohan’ ny fanorenana ny tany dia mamela ny zaza ho teraka sy hokolokoloin’ ny ray sy reny, izay mpivady, vita fanambadiana ara-dalàna. Andraikitra masina sy tombon-tsoa ny maha-ray aman-dreny, miaraka amin’ nyzanaka tonga soa tahaka ‘ny lova avy amin’ ny Tompo’. (Salamo 127:3)” (Howard W.Hunter, ao amin’ ny Conference Report, Okt. 1994, p. 8; na Ensign, Nôv. 1994, p. 9).

3.Fanalan-jaza

“Faharatsiana tsy mitsaha-mitombo izay toherintsika ny fanalan-jaza. Azo antoka fa nyotan’ ny fanalan-jaza nosaintsainina mialoha dia sarotra hamarinina. Saiky tsy azo eritre-retina fa hatao ny fanalan-jaza mba hanaronana ny tsy mety na ny fahafaham-baraka,hanaronana ny olana na ny henatra, na hialana andraikitra. Ahoana no ahafahan’ nyolona iray manaiky ny fanao toy izany na miray petsapetsa na amin’ ny fomba inona nafomba inona amin’ ny famatsiana vola na famporisihana? Raha misy toe-javatra manoka-na tsy fahita firy anekena ny fanaovana izany, dia ho azo antoka tokoa fa hahalana diahahalana izy ireny. Apetratsika eny ambony amin’ ny lisitry ny ota izay ampitandreman-tsika mafy ny olona izany.

“‘Tsy maintsy raisina ho anankiray amin’ ny fanao tena maharikoriko sy mahamelokaamin’ izao andro izao ny fanalan-jaza, rehefa vavolombelon’ ny fisiana baranahiny mam-pihoron-koditra mitarika amin’ ny fitondrantena maloto isika.’ (Priesthood Bulletin, Feb.1973, p. 9.)” (Spencer W. Kimball, ao amin’ ny Conference Report, Apr. 1974, p. 8; naEnsign, Mey 1974, p. 7).

4.Fisaraham-panambadiana

“Tsy fitsaboana ny olana ny fisaraham-panambadiana fa fandosirana fotsiny, ary koafahalemena iray. Tsapantsika koa fa ny fahatontosana ilay raharaha dia tsy mitondra

Lesona 37

Page 163: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

154

fahasambarana sy fanambadiana mahomby. Tsy tonga amin’ ny fanapotserana bokotratahaka ny atao amin’ ny jiro mandeha amin’ ny herin’ aratra ny fahasambarana; toe-tsai-na sy tonga avy ao anaty ny fahasambarana. Tsy maintsy azo izany. Tsy voavidim-bolaizany ary tsy azoazo foana” (Spencer W. Kimball, Marriage and Divorce [Salt Lake City:db 1976], p. 12)

5.Hasina sy fahadiovam-pitondrantena (jereo koa ny Ry Tanora, mahereza, pp. 14–16)

“Nilaza i Solomona fa ny tomban’ ny vehivavy tsara ‘dia mihoatra lavitra noho ny voa-hangy’ (Ohabolana 31:10). Ry zatovovavy, tandrovy sy arovy ny hasinareo tahaka nyhataonareo amin’ ny ainareo. Tianay ny hanananareo fiainana madio ara-pitondrantena.Tianay ho fiainana madio ara-pitondrantena no ho fomba fiainanareo.

“Eny, azo ibebahana tokoa ny fandikana ny lalam-pitondrantena. Misy marina ny faha-gagana avy amin’ ny famelan-keloka, ary eken’ ny Tompo ny fibebahana marina. Tsymahafaly ny Tompo anefa ny manao hadalana, ny mirotsaka amin’ ny ota amin’ ny fiton-drantena maloto na toa inona na toa inona endriny, ka dia manantena fa ny fibabohanasy ny fibebahana faingana efa nomanina dia hahafaly ny Tompo” (Ezra Taft Benson,Ensign, Nôv. 1986, p. 83).

“Rehefa manao safidy ianareo eo amin’ ny fiainana, fantaro tsara ry anabavy malala fatsy miova Andriamanitra, ary tsy azo ovana ny fanekempihavanany sy ny fotopampiana-rany. Rehefa lasa mangatsiaka ny masoandro ary tsy mamiratra intsony ny kintana, diambola ho fototra ao amin’ ny tontolon’ Andriamanitra sy ny fiangonan’ ny Tompo ihanyny lalàn’ ny fahadiovam- pitondratena. Tsy amin’ ny mahatranainy azy no tsy anohanan’ny Fiangonana ireo soa toavina fahiny, fa kosa noho izy ireo efa voaporofon’ ny fotoanafa marina ary satria izany no nambaran’ Andriamanitra “ (Spencer W. Kimball, Ensign,Nôv. 1978, p. 105).

6.Pôrnôgrafia (jereo ny Ry Tanora, mahereza, pp. 11–12)

“Entanina ny mpikambana ao amin’ ny Fiangonana na aiza na aiza misy azy tsy hanohi-tra fotsiny ny loza miely patrana ateraky ny pôrnôgrafia, fa hiroso amim-pahavitrihanasy tsy an-kiato, amin’ ny maha-olom-pirenena, hiady amin’ io fahavalo manodokan’ nyolombelona eran-tany io.

“Tamin’ ny taona lasa, dia an-tapitrisany dôlara no nolanina eran-tany tamin’ ny fampie-lezana sarimihetsika sy boky vetaveta. Hita eny amin’ ny fivarotam-boky, fivarotanagazetiboky, trano fandefasana sarimihetsika, ary indrisy fa eny amin’ ny tranom-barotrasasantsany koa, any amin’ ny tsenan-tsakafo, ary na eny amin’ ny fivarotana enta-madi-nika koa aza. . . .

“‘Manambany ny firaisana ara-nofo sy ny olombelona ny pôrnôgrafia. Ny firaisana ara-nofo dia tena zavatra saro-pady eo amin’ ny fifandraisantsika olombelona. Rehefa manaotsinontsinona izany sy manambany izany ianareo, dia ataonareo fanaom-biby izany aryamin’ ny ankapobeny dia fanazimbazimbana ny fanaontsika olombelona.

“‘ Noho ny fielezany, dia misy fiantraikany lehibe amin’ ny vahoakantsika izany. Nyfahavetavetana dia mifanohitra amin’ ny sivilizasiona. Manafika ny foto-pinoantsika izy.Fanafihana ny maha-fianakaviana ny fianakavina.’ (Spencer W. Kimball, ao amin’ nyConference Report, na Ensign, Okt. 1976, pp. 5–6).

7.Ny tenin’ ny fahendrena (jereo koa ny Ry Tanora, mahereza, pp. 12–13)

“Ny amin’ ny zava-mahadomelina, ‘ . . . manohitra hatrany ny fampiasana tsy ara-dalànasy manimba ny zava-mahadomelina sy ny zavatra mitovy aminy izay hiteraka fiankinan-doha, fahavoazana ara-batana sy ara-tsaina na fampietrena ny fitsipi-pitondrantenaisika.’ Hamafisinay io fanapahan-kevitra mitombona io” (Spencer W. Kimball, ao amin’ny Conference Report, Apr. 1974, p. 8; na Ensign, Mey 1974, p. 7).

“Mety hanana ny fepetrany izao tontolo izao; manana ny azy hafa noho izany koa nyfiangonana. Mety hoheverin’ ny olon’ izao tontolo izao fa tsy mampaninona ny mihinanaparaky; manana toerana ambony noho izany ny lalàn’ ny Fiangonana dia ny tsy fifohana.Mety hamela ny lehilahy sy ny vehivavy hisotro eny imasom-bahoaka ny lalàn’ izao ton-tolo izao; manainga ny olony ny Fiangonan’ ny Tompo tsy handray mihitsy” (Spencer W.Kimball, “President Kimball Speaks Out on Morality,” Nôv. 1980, p. 41).

Page 164: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

155

8.Fanandroana

Milaza ny fanandroana fa afaka manambara ny hoavy amin’ ny famantarana ny fifan-draisan’ ny kintana amin’ ny fiainan’ ny olona. Matetika dia voafitaky ny fandriky nympanandro ny sivilizasiôn’ ny ntaolo. Mifady ireo zavatra ireo ny mpikambana marani-tsaina ao amin’ ny Fiangonana, satria avy amin’ i Satana ireny.

Ny astrônomia indray dia siansa izay mandalina ny kintana—ny fahariana azy sy ny fan-dehany. Ny tena mpahay kintana lehibe teo amin’ ny tantara dia ny mpaminany toa an-dryMosesy, i Abrahama ary i Enoka. Avy amin’ ny Tompo Izy tenany mihitsy no nahazoanyny fahalalany. (Jereo Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:41–47; Mosesy 1:27–39;Abrahama 3:1–18.)

“Tsy afaka mifehy ny fihetsikareo ny kintana. . . . Nomen’ Andriamanitra fahafahanamisafidy ianareo, ary tsy avelany hanelingelina izany akory na dia ireo kintana aza. Izyno mpahary ny kintana, saingy tsy Izy no namorona ny fanompoana manokana ataon’ ny mpanandro. (Natonta ao amin’ny Church News, 14 okt. 1972, p.16).

Lesona 37

Page 165: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3
Page 166: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

Ny fitandroana ny fahasalaman’ ny vatana

Page 167: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

158

Ny fomba tsara mitondra fahasalamana

TANJONA Hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fampivelarana fomba tsara mitondra fahasalamanany zatovovavy tsirairay.

FANOMANANA 1. Vatsio taratasy sy pensilihazo ny mpianatra.

2. Manendre zatovovavy hanolotra ireo tantara, soratra masina na teny nindramina izaynofidinao.

SOSO-KEVITRA HAMELABELARANA NY LESONA Fampidirana

1.Zarao ny taratasy sy ny pensilihazo. Asaovy soratan’ ny zatovovavy ireto zavatramanaraka tamin’ ny efatra amby roapolo ora lasa ireto.

2. Ny sakafo rehetra nohanina.

3. Ny isan’ ny rano tamin’ ny vera na ranon-javatra hafa nosotroina.

4. Ny isan’ ny ora natoriana.

Ny isan’ ny ora lany nanaovana asa vatana toy ny asa, fanatanjahan-tena, dihy na fampiasan-tena.

Fanadihadiana Omeo ireto fanontaniana manaraka ireto:

1. Mampiseho ny fanaonareo isan’ andro ve io?

2. Moa ve ianareo mihinana sakafo ara-pahasalamana toy ny voamadinika, voankazo nalegioma, vokatra azo avy amin’ ny ronono, hena, trondro, akoho amam-borona ary atody?

3. Moa ve ianareo misotro rano mahatratra valo vera isan’ andro?

4. Moa ve ianareo mifady ny handray fanafody be loatra tsy nahazoana taratasy tamin’ ny mpitsabo?

5. Moa ve ianareo miala sasatra ampy hanome hery ny tenanareo?

6. Moa ve ianareo manao fampiasam-batana ampy?

7. Ahoana no hanatsaranareo ny fahasalaman’ ny vatanareo?

Nanome torolalana ho an’ ny fahasalamantsika ny Tompo

Asaovy vakin’ ny zatovovavy mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89 syny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:124.

Eo am-pamakiana ny soratra masina, dia asaovy omen’ ny mpianatra ny torolalana avyao amin’ ireo soratra masina, ireo izay tokony hosoratana eo ambanin’ ny lohateny hoe“Tokony —“ sy “Tsy tokony—. “ Diniho miaraka ireo torolalana avy amin’ ny Tompoireo mba hahazoana toky fa takatry ny zatovovavy ny maha-zava-dehibe ny toroheviny.

Famakafakanasoratra masina

Fanombatombananany tena

Lesona

38

Page 168: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

159

Teny nindramina Vakio sy hadihadio ireto teny manaraka avy amin’ ny mpitarika ny Fiangonana mombany torolalan’ ny Tompo ho an’ ny fahasalamana tsara ireto.

“Ny Tenin’ ny fahendrena, ao amin’ ny fizarana 89 ao amin’ ny Fotopampianarana syFanekempihavanana, dia mitombina ny filaza azy sy ny fonosiny araka ny hita ao amin’ilay fizarana. Tsy misy fanazavana ôfisialy momba ny Tenin’ ny fahendrena ivelan’ izaynomen’ ireo Rahalahy tany am-piandohan’ ny Fiangonana, rehefa nambara fa ny ‘fisotromahamay’ dia ny dite vazaha sy ny kafe.

“Ny mikasika ny zava-pisotro misy kôlà, dia tsy naka fanapahan-kevitra velively mombaizany ny Fiangonana, fa ny mpitarika ny Fiangonana no nanoro hevitra, ary manomehevitra manokana izahay ankehitriny mba tsy handraisana zava-pisotro misy karazan-java-mahadomelina manimba raha toa ka hahatonga fahazarana izany. Tokony hofadinany zava-pisotro rehetra misy fangaro manimba ny vatana” (“Policies and Procedures,”New Era, Mey 1972, p. 50).

“Izay manjo ny vatana mora maty dia miantraika amin’ ny fanahy. Izany no antony nano-mezan’ Tompo antsika ny Tenin’ ny fahendrena. Nilaza koa Izy fa tokony hatory alohaisika ary hifoha maraina (jereo Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:124), ary tsytokony hihazakazaka mafy miohatra ny hery ananantsika (jereo Fotopampianarana syFanekempihavanana 10:4), ary tokony halala onony isika amin’ ny zavatra tsara rehetra.Amin’ ny ankapobeny, raha voa-janahary kokoa ny sakafo hanintsika dia kely kokoa nyzavatra hafa nanatsarana azy ary ho salama kokoa isika. Mety hisy fiantraikany amin’ nysaina ny sakafo, ary ny tsy fahampian-javatra sasany ao amin’ ny tenantsika dia hampisyfikorontanana ara-tsaina. Ny fizahana tsara mitohy momba ny vatana any amin’ ny mpi-tsabo dia fiarovana ary mety hahitana izay azo sy mety ho azo tsaboina tsara. Ilaina ny fia-lan-tsasatra sy ny fampiasam-batana, ary ny mandeha an-tongotra amin’ ny rivotra madiodia afaka mamelombelona ny fanahy. Ny fialamboly madio dia tafiditra amin’ ny fivava-hantsika, ary ny fiovana amin’ ny mahazatra dia ilaina, ary na dia ny faminavinana izanyaza dia manondrotra ny fanahy” (Ezra Taft Benson, tao amin’ ny Conference Report, Okt. 1974, pp. 91–92; na Ensign, Nôv. 1974, p. 66).

Hazavao fa nanome torolalana manokana ho antsika ny Tompo hikarakarantsika nyvatantsika mora maty. Miankina betsaka amin’ ny fihetsitsika momba ireo torolalana ireosy ny fahazarana momba ny fahasalamana noraisina aloha be teo amin’ ny fiainana nyfananana fahasalamana tsara sy fahavitrihana. Hahazo fitahiana isika raha manaraka ireolalàn’ ny Tompo ireo.

• Inona ireo fitahiana sasany ampanantenaina an’ ireo izay manaraka ny lalàn’ ny Tompo? (Jereo Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:3, 18–21).

Mipaka hatrany amin’ ny taranaka ho avy ny fitahiana avy amin’ ny fananana fahazarana tsara momba ny fahasalamana

Fanadihadiana Hazavao fa ny fikarakaran’ ny zatovovavy ny vatany amin’ izao fotoana izao dia hisyakony amin’ ny fahombiazany sy ny fahasambarany eo amin’ ny fiainana sy amin’ ny

Famelabelaranaataon’ ny mpam-pianatra

Tokony— Tsy tokony—

Hihinana voankazo sy legioma Hisotro alikaolaHihinana voamadinika Hihinana parakyHihinan-kena amin’ ny antoniny Hisotro zavatra mahamayHatory betsaka Ho kamoHatory aloha Hatory mihoatra ny tokony ho izyHifoha maraina

Page 169: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

160

andraikiny any aoriana amin’ ny maha-vady sy reny ary vehivavy amin’ izao fotoanandroizao azy.

Diniho miaraka amin’ ny zatovovavy ireto fanontaniana manaraka ireto

• Nahoana no manan-danja manokana ho an’ ny zatovovavy ny vatana salama?

• Ahoana no zava-dehibe aminareo ny fahasalamanareo ankehitriny?

• Ahoana no ho zava-dehibe aminareo ny fahasalamanareo amin’ ny maha-vady sy reny anareo any aoriana?

• Ahoana no hisy akony amin’ ny zaza aterakareo ny zavatra ataonareo amin’ ny vatanareo ara-nofo amin’ izao fotoana izao?

Asaivo asian’ ny zatovovavy tarehimarika 1 ka hatramin’ ny 7 eo amin’ ny taratasiny.Asaovy soratany marina na diso isaky ny teny vakinao. Tsarao ilay antontam-panontaniana.

Antontam-panontaniana marina na diso

1. Ny tsy fahampian-tsakafo eo amin’ ny reny dia mety hiteraka olana lehibe amin’ ny zaza ateraka, toy izany koa ho azy. (Marina)

2. Mety hiteraka fahavoazana ara-tsaina sy ara-batana eo amin’ ny zaza ateraka ny fisotroan’ ny reny alikaola tsy tapaka. (Marina)

3. Tsy miteraka fahazarana eo amin’ ny zaza ateraka ny zava-mahadomelina toy ny herôina, kôkaina ary môrfina. (Diso)

4. Mety hiteraka hajambana eo amin’ ny zaza ateraka na hifindra any amin’ ilay zazarehefa teraka izy ny areti-mifindra azo avy amin’ ny firaisana. (Marina)

5. Ambony ny salan’ isa ny ho afa-jaza sy ny hiteraka tsy tonga volana eo amin’ ny renyizay mifoka sigara mandritra ny fitondrany vohoka. Marina)

6. Mety hisy fiovana eo amin’ ny hôrmôna amin’ ny zaza ateraka vokatry ny fandraisan’ny vehivavy zava-mahadomelina LSD. (Marina)

7. Mety hiteraka tsy fahafahana hiteraka amin’ ny fiainana any aoriana ny hatavezana sy ny “hahiazana” mahazo ny zatovovavy. (Marina)

Hazavao fa ny zatovovavy izay mikarakara ny tenany dia hanana fahafahana kokoa hiteraka zaza salama ary hanana toe-pahasalamana tsara mandritra ny fiainany.

Famaranana

Asaovy vakin’ ny zatovovavy ny Korintiana voalohany 3:16–17. Mijoroa ho vavolombelonamomba ny mahalafo vidy ny vatantsika sy ny maha-zava-dehibe ny fitandroana azy irenyho salama araka izay azo atao.

Vakio ity teny manaraka ity:

“Rehefa manaja ny Tenin’ ny fahendrena . . . sy ireo fanao tsara momba ny fahasalamanaianareo, dia mitoetra malalaka ianareo ary afaka mifehy ny fiainanareo. Tahina ianareoamin’ ny fananana vatana tomady, saina matsilo ary fahafahana handray fanampiana syfanohanana avy amin’ ny Raintsika any an-danitra amin’ ny alalan’ ny Fanahy Masina”(Ry Tanora, mahereza, p. 13).

Fampiharana ny lesona

Entano ny zatovovavy hifantina fahazarana momba ny fahasalamana izay tiany hohatsa-raina ary hanapa-kevitra hanomboka haka ny fotoana ilaina hanaovana izany. Mifidianakoa ianao anankiray. Lazao ny zatovovavy ny zavatra kasainao hatao. Rehefa izany diaaoka hifanara-maso tsy tapaka ny tsirairay mba hifankahery.

Afaka manampy ny zatovovavy hanohy ny ezaka ataony ny vinavinan’ asa ataon’ny kilasy toy ny fandaharam-potoana hanao fampiasam-batana, bisikilety na jôgina.

Soratra masina syfijoroana ho vavo-lombelona

Famelabelaranaataon’ ny mpam-pianatra

Antontam-panontaniana

Page 170: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

Fivelarana eo amin’ ny lafinysosialy sy eo amin’ ny toe-po

Page 171: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

162

Ny fahafantarana ny hasin’ ny tena

TANJONA Hahatakatra ny hasiny amin’ ny maha-zanakavavin’ Andriamanitra azy ny zatovovavytsirairay.

FANOMANANA Manendre zatovovavy hanolotra ireo tantara, soratra masina na teny nindramina izaynofidinao.

SOSO-KEVITRA HAMELABELARANANY LESONA Amin’ ny maha-zanak’ Andriamanitra antsika, dia manan-danja avokoa isika

Tantara Nambaran’ ny Loholona Marvin J. Ashton ity tantara manaraka ity:

“Herinandro vitsivitsy lasa izay, tamin’ ny andro nandalovan’ ny tafio-dranomandrytena tsy nisy toa azy tamin’ ity faritra ity, tsy fanitarana akory, satria nisy toetr’ androratsy be maro nandalo teto aminay tamin’ iny ririnina lasa iny, dia nandia fahasahirananagoavana ny tovolahy miaramila bikana iray sy ny fofombadiny tsara tarehy raha ho anyamin’ ny tempolin’ i Salt Lake hamonjy ny fotoana hanaovana ny fanambadiany. Anyamin’ ny toerana iray ao Salt Lake Valley ilay tovovavy, ary ilay tovolahy dia tokony hotonga avy any amin’ny tanàna iray hafa eo akaiky. Ranomandry matevimbe sy rivotramahery be no nanidy ny lalana nandritra ny alina sy ora maro ny maraim-be. Ora marotaorian’ ny fiandrasana tao anaty fitaintainana, dia nisy taminay no afaka nanampy azyireo ho any amin’ ny tempoly ary hanatanteraka ny fanambadiany ny tolakandro.

“Lehibe ny fankasitrahan’ izy ireo ny fianakaviany ary ny namany, noho ny fanampianasy ny fisahiranana mba hisian’ ity fotoana tena lehibe ity. Ny namako—antsoinay hoeBill–dia naneho fankasitrahana lalina tamin’ ny fitenenana hoe: “Misaotra betsaka tamin’ny nataonareo rehetra nahatanteraka ny fanambadianay. Tsy takatro ny antony nisahira-nanareo hanampy ahy. Raha ny marina dia tsinontsinona aho.’

“Inoako fa nihevitra ny teniny ho tena fankasitrahana vokatry ny fo izy, kanjo novalikohentitra izany, saingy antenaiko fa amin’ ny hatsaram-panahy: ‘Bill, tsy mbola nanampyolona tsinontsinona mihitsy aho teo amin’ ny fiainako. Ao amin’ ny fanjakan’ ny Raintsikaany an-danitra, dia tsy misy olona “tsinontsinona”’” (tao amin’ ny Conference Report,Apr. 1973, p. 20; na Ensign, Jolay 1973, p. 24).

Fanadihadiana • Nahoana no nolazain’ ny Loholona Ashton fa “tsy misy olona tsinontsinona ao amin’ny fanjakan’ ny Raintsika any an-danitra”?

• Nahoana ny olona no mihevi-tena ho tsinontsinona?

• Iza ianao any amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra?

Hazavao fa amin’ ny maha-zanak’ Andriamanitra antsika dia manan-danja avokoa isika.Nilaza ny Loholona Ashton raha nanohy ny teniny fa tsy faly ny Raintsika any an-danitrarehefa milaza ny tenantsika ho “tsinontsinona” isika. Amin’ ny maha-zanak’Andriamanitra antsika, dia “olona” isika.

Asaovy manokatra ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10 ny zatovovavyhianatra fitsipika iray lehibe ao amin’ ny filazantsara.

• Nahoana no manan-danja tokoa amin’ ny Raintsika any an-danitra sy ny Zanany JesoaKristy ny olona tsirairay?

Makà toky fa takatry ny zatovovavy fa zanak’ Andriamanitra ny olona tsirairay, ary tianykokoa mihoatra ny fahatakarantsika azy ny tsirairay amintsika. Lafo vidy amin’ i JesoaKristy ny tsirairay amintsika, matoa Izy nanao sorona ny ainy ho antsika sy nijaly hana-votana ny otantsika.

Famakafakanasoratra masina

Lesona

39

Page 172: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

163

Manana fahafahana hahazo fiandrianana isika tsirairay

Teny nindramina Hazavao fa maro ny olona mihevitra fa tsy dia manao ahoana loatra izy ka tsy afakamanao zavatra manan-danja eto amin’ ity fiainana ity. Nalefan’ ny Tompo et˜ an-tanyanefa ny olona tsirairay miaraka amin’ ny asa nanirahana azy hotanterahina. Hoy nyEveka H. Burke Peterson:

“Iray amin’ ny fanamby tena lehibe ny handresy ny fahatsapana fa tsy manan-danja isika,fa tsy hafa kely sy tsy manan-tsahala isika. Misy fotoana ve iheveranao fa handefa nyanankiray amin’ ny Zanany et˜ an-tany tsy nahy ny Ray any an-danitra ary tsy nanomeazy fahafahana hanatanteraka asa manan-danja? . . .

“Ry namako malala, ianareo dia taranaka mpanjaka. Voatokana ianareo hanket˜ ambonin’ny tany amin’ izao fotoana izao hanatanteraka tanjona manokana. Tsy ny vitsivitsy aminareoihany, fa ianareo rehetra. Misy zavatra hataon’ ny tsirairay aminareo izay tsy ho vitan’ iza naiza afa-tsy ianareo. Raha tsy miomana ianareo hanao azy ireny, dia tsy ho vita izy ireny. Tsymanan-tsahala ny asa nanirahana anareo ary voatokana ho anareo. Raha tianareo, dia azamanao izay hakan’ ny hafa ny toeranareo. Tsy ho vitany tahaka ny hanaovanareo azy izany.Raha omenareo lalana Izy, dia ambarako marina fa hiara-dalana aminareo ny Raintsika anyan-danitra hamakivaky ny dia eo amin’ ny fiainana sy hanainga anareo hahafantatra ny tanjonareo manokana et˜” (“Your Life Has a Purpose,” New Era, Mey 1979, pp. 4–5).

Tantara Mba hanampy ny zatovovavy hahatakatra fa ny olona tsotra dia afaka manao zava-dehi-be, dia tantarao ity manaraka ity:

“Tovolahy i George A. Smith fony izy niova fo tamin’ ny Fiangonana, fotoana fohy taorian’ny nananganana ny Fiangonana. Tamin’ izany fotoana izany, dia nohenjehina mafy tokoany Olomasina tao amin’ ny fanjakan’ i Missouri, ary maro ireo noroahina hiala ny fonena-ny. Tamin’ ny taona 1834, dia nitarika andian-dehilahy roanjato teo ho eo avy ao Kirtland,Ohio, izay foiben’ ny Fiangonana, nankany Jackson County, Missouri, ny MpaminanyJoseph Smith. Nantsoina hoe Lasin’ i Ziona ireo lehilahy ireo, ary nahavita 1600 kilometatraizy ireo tamin’ ny dia nataony. Ny tanjony dia ny hamerina ny mpikambana ao amin’ nyFiangonana amin’ ny taniny sy ny fonenany.

I George A. Smith no zandriny indrindra tao amin’ ilay tarika. Zazalahy vaventy mika-viavia enina ambin’ ny folo taona izy, izay tsy miendrika na mahatsapa tena ho miarami-la. Nanamboaran-dreniny pataloha tamin’ ny lambana fonon-kidoro mitsipitsipika sykitapo fitondra an-damosina tamin’ ny lambana haron’ akanjo misoratsoratra efa-joroizy. Nomen-drainy baoty vaovao sy basy tsolorana afo tonta izy. Andro vitsivitsy taorian’ny dia, nibontsin-drano ny tongotr’ i George tao anatin’ ny baotiny, rovitra ny pataloha-ny ary simba ny satrony. Tsy dia nanintona loatra izy. Afaka natory tao anatin’ ny lain’ny mpaminany anefa izy ary nandre ny ankamaroan’ ny torohevitra sy ny toromarikanomena ireo lehilahy. Nisintona lesona avy amin’ ny ohatra sy ny fampianaran’ i JosephSmith isan’ andro izy.

Nahavita kilômetatra maro isan’ andro ireo lehilahy ary zara raha afaka natory nandritraireo alina mafana sy mando. Nampahory ny fiainana ny moka sy ny lalitra, ratsy ny saka-fo sady voafetra. Nilaza i George fa feno bibikely mitsoridriaka ny rano teny amin’ nyfarihy, izay nianarany ny nisakana azy ireny tamin’ ny nifiny rehefa misotro izy. Marotamin’ ireo lehilahy no nitaraina mafy momba ny faharatsian’ ny toe-javatra nisy, fa iGeorge kosa dia vonona ny hanaraka ny toromarika rehetra avy amin’ ny mpaminany.

Rehefa tonga tao Missouri ny Lasin’ i Ziona, dia hitany fa tsy nanohana azy ireo tamin’ny ezaka nataony hiverenan’ ny tranony sy ny taniny ny governora, tsy tahaka ny nam-panantenainy hatao, toa tsy nisy vokany ilay nanaovana dia lavabe sy sarotra, ka dia disofanantenana tanteraka ireo lehilahy. Ny sasany aza dia tezitra tamin’ ny mpaminany.

Tat˜ aoriana anefa dia nihanazava ny vidin’ ilay dia. Ireo izay nitoetra ho mahatoky nyTompo sy ny mpaminaniny nandritra io fitsapana naharitra io dia nianatra fahaiza-mita-rika sy nahazo hery avy amin’ ny fiarahany akaiky tamin’ i Joseph Smith. Ny ankama-roan’ ny mpitarika voalohany tao amin’ ny Fiangonana dia nofinidy teo anivon’ ireo lehilahy mahatoky tao amin’ ny Lasin’ i Ziona.

Dimy taona latsaka tat˜ aoriana, dia voatendry ho Apôstôly i George A. Smith, ilay zaza-lahy mikaviavia enina ambin’ ny folo taona. Niara-niasa tamin’ i Brigham Young izy tat˜aoriana, mpikambana tao amin’ ny Fiadidiana voalohany. Nanomana azy ho amin’ ny

Page 173: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

164

fiainana mpitarika ny zava-niainany tany amin’ ny Lasin’ i Ziona. Ny hany fahadisoanydia ny nanambaniany ny fahamendrehana ananany.

Fanadihadiana • Rehefa inona isika no tahaka an’ i George A. Smith indraindray?

Hazavao fa indraindray dia tsy hitantsika ny fomba itahian’ ny Tompo sy anomananyantsika. Mety hahatsapa ho mikaviavia sy tsy manan-danja isika. Toa an’ i George A.Smith, dia afaka mitoetra marina eo amin’ ny Tompo sy ny mpaminaniny anefa isika arymanao izay tsara vitantsika, ka indray andro any, dia ho fantatsika fa efa nomanin’ nyTompo isika hanompo amin-kerim-po ao amin’ ny fanjakany..

Manana fahalemena avokoa isika, izay azo avadika ho hery

Hazavao fa eto amin’ ity fiainana ity, dia manana fahalemena avokoa isika, izay misakanaantsika tsy ho tonga amin’ izay tokony ho vitantsika. Afaka manao izay tsara vitantsikaanefa isika handresena ireo fahalemena ireo sy hampivelarana hery.

Tantara Tantarao amin’ ny kilasy ity tantara manaraka ity:

“Raha manam-paniriana hilalao tsara ny kilalaom-piainana isika, raha mitozo miezaka symanao fanazaran-tena, dia ilaintsika ny maharitra hatramin’ ny farany. Tsy maintsy mana-pa-kevitra ny handresy ny fahadisoantsika isika ary mitozo miezaka mba hahafaty baolinana toa inona na toa inona sakana. Tamin’ ny taona 1960, natao tany Melbourne, Australia,ny lalao Olimpika. Nisy zazavavy amerikana, ranjanana, tsara tarehy, milokom-bolamenany volony, nitsangana teny amin’ ny lampihazon’ ny mpandresy. Nahazo medaly volame-na izy. Nisioka ny tovolahy sady niteny hoe: ‘Tsy misy mahaory io zazavavy io.’

“Nikoriana teny amin’ ny takolany ny ranomasony raha nandray ny medaly izy.Nihevitra ny olona maro fa ny lanonana nankalazana ny fandresena ihany no nanohinaazy. Ny zavatra izay tsy hain’ ny ankamaroan’ ny mpanatrika dia ny tantaran’ ny fahavo-nonany. Voan’ ny lefakozatra izy fony dimy taona. Rehefa niala taminy ny aretina, dia tsy afa-nampiasa ny tanany sy ny tongony izy. Nentin-dray aman-dreniny tany amin’ ny dobo filomanosana izy, izay toerana nantenainy fa hanampy azy hihazona ny tananyambony eo am-piezahany hampiasa azy ireo indray. Rehefa afaka nampiakatra ny tananyavy ao anaty rano tamin’ ny herin’ ny tenany izy, dia nihiakam-pifaliana. Rehefa izany,dia ny hilomano hanaraka ny sakan’ ny dobo, avy eo ny halavany, ary dia ny halavanyimbetsaka no tanjony. Nanohy niezaka izy mandra-pahazoany ny medaly volamenatamin’ ny lomano lolo (papillon) tamin’ ny lalao Olympika tany Melbourne, Aostralia. Iono anankiray tena sarotra amin’ ny lomano rehetra. Inona no nitranga raha kivy i ShelleyMann? Inona no nitranga raha tsy nianatra [niharitra] izy?” (Norma Ashton, “Be a ‘MostValuable Player,’” Improvement Era, Sept. 1965, p. 787).

Fanadihadiana • Ahoana no fiantraikan’ io aretina io tamin’ i Shelley Mann?

• Inona ny toetra nananany manokana ka nitaona ny fihetsiny?

• Inona no azontsika tsoahina avy amin’ ny ohatra nasehony?

• Vakio miaraka ny Etera 12:27.

• Inona no antony anomezan’ ny Tompo fahalemena antsika?

• Iza no hanampy antsika hanova ny fahalemena ho hery?

Inona no tsy maintsy ataontsika mba hahazoana ireo fitahiana nampanatenaina ao amin’ity soratra masina ity?

Hazavao fa raha mitoky amin’ ny Tompo isika ary manao izay rehetra azontsika atao, diaho azontsika atao ny mandresy ny fahalementsika sy mampivelatra ny hery ilaintsikahanompoana tsara ny Tompo amim-pahazotoana.

Azonao zaraina, raha tianao, ny zavatra nodiavinao tamin’ ny fandresena fahalemena sy fampivelarana hery. Mety hanana zavatra nodiavina izay tiany hozaraina koa ny zatovovavy.

Famakafakanasoratra masina

Famelabelaranaataon’ ny mpam-pianatra

Page 174: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

165

Famaranana

Soratra masina Avereno vakina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10. Zarao ny fijoroanaoho vavolombelona fa manan-danja lehibe amin’ ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristyny zatovovavy tsirairay ao amin’ ny kilasinao. Manana ny zavatra rehetra ilaina mba hompanompo lehibe an’ ny Tompo ny tsirairay aminy.

Lesona 39

Page 175: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

166

Ny fitiavana ny tena sy ny hafa

TANJONA Hahafantatra ny zatovovavy tsirairay fa ny fitiavana madio ny tenany dia mampitombony fahafahany ho tia ny hafa.

FANOMANANA 1. Manendre mpianatra hilaza ny tantaran’ i Enosa araka ny hita ao amin’ ny Enosa1:1–18.

2. Manendre zatovovavy hanolotra ireo tantara, soratra masina na teny nindramina izay nofidinao.

SOSO-KEVITRA HAMELABELARANA NY LESONA Fampidirana

Iangavio ny zatovovavy handinika ity fanontaniana ity: Inona ireo toetoetra sasany ananan’ny olona iray izay mahatsiaro finaritra amin’ ny tenany? Eo am-panoloran’ ny zatovovavyny heviny, dia soraty eny amin’ ny solaitrabe izy ireny. Mety ho anisan’ ny hevitra iretomanaraka ireto:

Faly izy.Tiany ny ankohonany sy ny namany.Vonona ny hiaiky ny fahadisoany izy.Mahatsapa fa ilain’ ny hafa izy.Mora ampianarina izy.Tiany ny manao izay mahafaly ny hafa.

Hazavao fa ny olona iray izay mahatsiaro finaritra amin’ ny tenany dia falifaly kokoa sy afaka manompo bebe kokoa ny hafa.

Ilaintsika ny ho tia ny tenantsika amin’ ny fomba tsara

Hazavao fa sarotra indraindray ny manaiky ny hevitra fa ilaintsika ny ho tia ny tenantsika.Mety hihevitra isika fa tokony olon-kafa no ho tiantsika fa tsy ny tenantsika. Mety hanonta-ny tena amin’ ny fomba ahafahantsika ho tia ny tenantsika ka tsy ho be hambo isika.

Hazavao fa ny Tompo Izy tenany mihitsy no nilaza tamintsika fa tokony ho tiantsika ny tenantsika. Asaovy vakin’ ny mpianatra iray ny Matio 22:36–39.

• Inona no lazain’ ireo andininy ireo antsika momba ny fitiavantsika ny tenantsika?

Hazavao fa ireo andininy ireo dia mampianatra mazava fa tokony ho tia ny hafa isika, kanefa mampianatra koa izy ireo fa tokony ho tiantsika ny tenantsika. Nilaza nyMpamonjy fa tokony ho tia ny hafa tahaka ny itiavantsika ny tenantsika isika. Midikaizany fa tokony ho tia ny tenantsika isika tahaka ny itiavantsika ny hafa.

Ampahatsiahivo ny zatovovavy fa manana antony maro hitiavana ny tenantsika isika:zanak’ Andriamanitra isika, manana talenta maro hatolotra ny hafa isika, manana fahafa-hana handresy ny fahalementsika isika ary hanjary matanjaka, ary manana ny ilainarehetra isika ho tonga indray andro any tahaka an’ Andriamanitra.

• Nahoana araka ny hevitrao no zava-dehibe ho antsika ny ho tia ny tenantsika? Avelaohifanakalo hevitra ny zatovovavy.

Manàna toky fa takany ireto hevitra manaraka ireto:

1. Zanak’ Andriamanitra isika, ary rehefa tsy tiantsika ny tenantsika, dia tsy hajaintsikany zavatra narin’ Andriamanitra.

Famakafakanasoratra masina

Famelabelaranaataon’ ny mpam-pianatra

Lesona

40

Page 176: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

167

2. Rehefa halantsika ny tenantsika, dia matetika kivy sy sorena isika. Tsy dia afaka loatramanompo ny Tompo isika.

3. Ny olona izay tsy tia ny tenany dia mazàna tsy afaka loatra ho tia ny hafa tanteraka nahatakatra ny fomba ahafahan’ ny hafa ho tia azy.

4. Rehefa mankahala ny tenany ny olona iray, dia miezaka matetika izy hanao izayhahatsapany fa ekena sy tiavina izy amin’ ny fanetrena ny fitsipika nekeny, mbahamalifaliany ny hafa.

Hazavao fa ny fitiavana madio ny tena dia tsy fihamboana na fireharehana. Ny olonairay izay tia ny tenany amin’ ny fomba tsara dia mahafantatra fa zanak’ Andriamanitraizy, fa tian’ Andriamanitra izy ary fa manana talenta maro izy. Fantany anefa fa zanak’Andriamanitra koa ny olona hafa, ka tokony hampiasa ny talentany izy hanompoana azy ireny.

Iangavio ny zatovovavy hitanisa fomba sasany ahafahany mampiseho fa tiany amin’ ny fomba tsara ny tenany. Soraty eny amin’ ny solaitrabe ny heviny ary diniho miarakatsirairay. Mety hilaina ity teny ity mba hanampy hamantarana ireo fomba sasany.

Teny nindramina “Raha tena tia ny tenanao ianao, dia hotadidinao fa olona nofo, saina ary fanahy ianao.Ny fitiavana ny tena araka ny itiavan’ Andriamanitra anao dia midika fa mampiasafahendrena ianao hiarovana ny fiainanao sy hitandroana ny fahasalamanao mba hahafa-hanao manefa ny asa nanirahana anao et˜ an-tany. . . .

“Ny matanjaka ara-tsaina dia tafiditra amin’ ny fahatsiarovana fa fahiratan-tsaina nyvoninahitr’ Andriamanitra. Ny fahafantarana azy io dia hanirianao hampitombo ny faha-lalanao sy ny fahendrenao ary hifady ny boky, ny sarimihetsika ary ny resaka izay han-doto ny fisainanao. Isika izay tia ny tenantsika amin’ ny fomba madio dia mandray nyfampianaran’ ny Tompo tsy ho vazivazy, fa tokony hofenointsika hatsarana tsy an-kiatony eritreritsika.

“Ny fitandremana ny tenantsika ho madio ara-pitondrantena dia fitiavana madio ny tenantsika. . . .

“Ny famelana ny tenantsika aorian’ ny fibebahana ampy amin’ ny ota iray dia halehibetsy azo odian-tsy hita ny fitiavana ny tena. . . .

“Ny fampitahana ny tenantsika amin’ ny hafa dia mety . . . hiteraka fahatsapana faham-baniana na fahamboniana. . . . Ekeo ny tenanao amin’ny maha-olon-tsy manan-tsahalaanao, tsy ilana fampitahana amin’ ny hafa. Hanampy anao ho tia ny tenanao amin’ nyfomba madio tsisy hambo ny fanaovanao azy io” (Clark Swain, “Q & A,” New Era, Mar. 1979, p. 38).

Hazavao fa ny zatovovavy izay tia marina ny tenany dia hitandrina ny tenany ho salama,ho mailo ara-tsaina, ho madio ara-pitondrantena ary hananana fangorahana ny hafa.

Rehefa tiantsika ny tenantsika, dia afaka ny ho tia ny hafa isika

Hazavao fa rehefa nahafantatra ny ho tia ny tenantsika isika dia ho vonona kokoa hanitatrany fitiavantsika amin’ ny hafa. Raha omentsika lanja ny tenantsika, dia afaka ny hanomelanja ny hafa isika.

Nahoana araka ny hevitrareo no afaka bebe kokoa hanompo olon-kafa ny zatovovavyizay tia ny tenany? Avelao hifanakalo hevitra ny zatovovavy.

Mety hanome soso-kevitra toy ireto manaraka ireto izy ireo: Tsy maintsy mahatsapa isikafa manan-danja sy manana zavatra homena alohan’ ny hahatsapantsika fahatokianahanampy ny hafa; rehefa variana tanteraka amin’ ny fieritreretana ny momba ny olantsi-ka isika dia tsy hanam-potoana na hery hanampiana ny hafa; rehefa tia ny tenantsikaisika, dia matoky kokoa fa ho tiantsika sy haniry antsika hanampy azy ireo ny hafa.

Tantara Hazavao fa vakintsika ao amin’ ny Bokin’ i Môrmôna ny momba an’ i Enôsa, ilay zanaka lahin’ i Jakôba izay zanaka lahin’ i Lehia. Nampianarin-drainy hanana finoana an’ Andriamanitra i Enôsa, kanefa mandra-pahatongan’ ny fotoana nisehoan’ ity tantaraity, dia tsy nampihatra tanteraka ny zavatra nampianarina azy izy.

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Fanadihadianaampiasanasolaitrabe

Famelabelaranaataon’ nympampianatra

Page 177: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

168

Iangavio ny mpianatra voatendry hanome ny tantaran’ i Enôsa araka ny hita ao amin’ nyEnôsa 1:8–18. Rehefa izany, dia diniho miaraka ny tantara amin’ ny fampiasana fanonta-niana toy ireto manaraka ireto:

• Inona no nataon’ i Enôsa ka nahatonga ny otany ho voavela? (Nanana finoana an’ i Kristy izy, ary nivavaka andro aman’ alina.)

• Ahoana no nahafantarany fa voavela ny helony? (Reny ny feon’ ny Tompo nilaza taminyfa voavela izy.)

• Iza no noeritreretiny raha vantany vao nandre ny feon’ ny Tompo izy? (Ireo rahalahiny,Nefita sy Lamanita.)

• Inona no tiany hataon’ ny Tompo ho an’ ny Lamanita? (Hitahiry rakitsoratra, amin’ izayraha very finoana sy fongana izy ireo, dia ho afaka hahafantatra ny marina ny taranany.)

• Nahoana araka ny hevitrao no nisahirana ny amin’ ny rahalahiny izy taorian’ ny namelan’ny Tompo ny fahotany? Avelao hifanakalo hevitra ireo zatovovavy.

Hazavao fa rehefa fantany fa tia azy ny Tompo, dia nahatsapa fitiavana sy fiadanana izy,izay mbola tsy nananany mihitsy. Raha vao nahatsapa io fitiavana sy fiadanana io izy dianahatsapa fitiavana lehibe ny manodidina azy ary naniry ny hitahian’ ny Tompo azy ireo.Vakio ny Enôsa 1:19 mba hampiseho fa taorian’ io zava-niainany io, dia nandany fotoanamaro sy hery izy tamin’ ny fiezahana hampianatra sy hanampy ny rahalahiny.

Teny nindramina Hazavao fa arakaraka ny anehoantsika ny fitiavantsika ny hafa amin’ ny alalan’ ny tenysy ny fihetsika no hahatsiarovantsika fahafinaretana bebe kokoa ny amin’ ny tenantsika.Arakaraka ny haben’ ny fitiavantsika ny hafa no hahamora kokoa ny hitiavantsika nytenantsika.

Hoy ny Filoha Spencer W. Kimball: “Manjary olona manan-danja kokoa isika rehefamanompo ny hafa. Manjary mafonja kokoa isika raha manompo ny hafa—noho izany, homoramora kokoa ny “hahitana” ny tenantsika, satria misy zavatra maro ho hita amintsi-ka!” (“Small Acts of Service,” Ensign, Des. 1974, p. 2)

“Ny lehilahy sy vehivavy rehetra dia rahalahintsika sy anabavintsika, nalefa et˜ hiasamomba ny famonjena azy, hiatrika olana ny tsirairay, mila fanampiana sy fangorahana nytsirairay. Manatanteraka ny drafitr’ Andriamanitra isika rehefa manome lanja azy ireo symanampy azy ireo hahatsapa amin’ ny teny sy ny fihetsika fa mety hahavita zavatra izyireo, manan-danja izy ireo ary zanak’ Andriamanitra avokoa isika. Rehefa miaina io didin’Andriamanitra io isika, dia miverina amintsika ny fananana lanja ho fanomezam-pahasoavanaavy amin’ ireo izay nomentsika lanja” (Alice Colton Smith, “Let Every Man Esteem HisBrother As Himself,” Relief Society Magazine, Aog. 1968, p. 625; nampiana ny sora-mandry).

Iangavio ny zatovovavy hizara ny zava-niainany amin’ ny fahatsapana ho finaritra kokoa nyamin’ ny tenany, noho ny nanampiany olona. Miomàna hizara zava-niainanao anankiray.

Famaranana

Hazavao fa ny hafatra voarakitra ao amin’ ny Matio 22:36–39 dia naverina ao amin’ nysoratra masina môderina. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:24.Ampahatsiahivo ny zatovovavy fa rehefa mianatra ny ho tia ny tenantsika amin’ nyfomba tokony hataontsika isika, dia ho afaka kokoa hanompo ny mpiara-belona amintsika, ary hahatsiaro finaritra bebe kokoa ny amin’ ny tenantsika.

Page 178: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

©by

Int

elle

ctua

l Res

erve

, In

c. A

ll rig

hts

rese

rved

1

Page 179: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

©by

Int

elle

ctua

l Res

erve

, In

c. A

ll rig

hts

rese

rved

2

Page 180: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

©by

Int

elle

ctua

l Res

erve

, In

c. A

ll rig

hts

rese

rved

3

Page 181: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

©by

Int

elle

ctua

l Res

erve

, In

c. A

ll rig

hts

rese

rved

4

Page 182: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

©by

Int

elle

ctua

l Res

erve

, In

c. A

ll rig

hts

rese

rved

5

Page 183: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

©by

Int

elle

ctua

l Res

erve

, In

c. A

ll rig

hts

rese

rved

6

Page 184: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

©by

Int

elle

ctua

l Res

erve

, In

c. A

ll rig

hts

rese

rved

7

Page 185: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

©by

Int

elle

ctua

l Res

erve

, In

c. A

ll rig

hts

rese

rved

8

Page 186: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

©by

Int

elle

ctua

l Res

erve

, In

c. A

ll rig

hts

rese

rved

9

Page 187: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

©by

Int

elle

ctua

l Res

erve

, In

c. A

ll rig

hts

rese

rved

10

Page 188: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

©by

Int

elle

ctua

l Res

erve

, In

c. A

ll rig

hts

rese

rved

11

Page 189: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

©by

Int

elle

ctua

l Res

erve

, In

c. A

ll rig

hts

rese

rved

12

Page 190: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

12

©by

Int

elle

ctua

l Res

erve

, In

c. A

ll rig

hts

rese

rved

13

Page 191: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

3

©by

Int

elle

ctua

l Res

erve

, In

c. A

ll rig

hts

rese

rved

14

4

Page 192: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

©by

Int

elle

ctua

l Res

erve

, In

c. A

ll rig

hts

rese

rved

15

Page 193: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3

©by

Int

elle

ctua

l Res

erve

, In

c. A

ll rig

hts

rese

rved

16

Page 194: Boky Fampianarana ny Zatovovavy 3