10
- LAHARANA FAHA 13 - HO HITANAO ATO : Inona ny TAMIFA Madagascar Leadership ve ? Trandraho ireo harena Tsy hita maso Ny famatsiam-bola eo amin’ny fihariana Ny Business model Fihariana misy varany Maninona ireo vahiny no mpanefoefo be eto Madagasikara? EBOOK CADEAU NY SUBCONSCIENT SY NY TSIAMBARATELONY Sombiny kely ihany amin’ireo lahatsoratra miboiboika amin’ ireo endrika ara- elektronika izay navoakan’ ny TAMIFA Communication ka amporisihana antsika tsy an- kanavaka ny fanarahana azy no natambatra amin’ ity laharana iray ity. Nofantenanay ireo asa soratra izay tena manasongadina an’izay fivoy tato ho ato ary koa ireo navoakan’ ny Mpitarika manokana mba hahamora ny fahazoantsika manakatra azy akaikaiky kokoa. Marika maneho ny fahavononan’ ny TAMIFA Madagascar hatrany ny hitozo kokoa eo amin’ny ezaka fampandrosoana ny tanora no antonanton’ izy ity.Indrindra eo amin’ ny fanetsehana Fifeheza-mitarika (Leadership) sy fiatreham-pihariana (Esprit d’entreprise) izay teboka roa(02) lehibe hanompanany ny asa aman-draharahany. Goavana rahateo ny fanamby ilokalokana ankehitriny. Izany dia mifantoka amin’ ny fampitomboana ny isan’ ny tanora mahefa sy mahomby amin’ ny fampivoaran-tena ho reharehan’ ny fiaraha-monina ka sehatra hanajariana izany no ifandrindrana ao anaty Fikambanana. Raisinay ato amin’ ny TAMIFA Communication izay rafitra iray eo anivon’ ny TAMIFA Madagascar efa hatramin’ ny taona 2011 ny antoka ho amin’ ny famelomana sy ny fampiroboroboana ny endrika elektronika rehetra sahazan’ ny lentan’ ny fandrosoana atrehintsika ankehitriny. Azontsika tsaraina ary indrindra angatahina setriny tsy misy henamaso avy amintsika sahady amin’ izao fotoana izao ny nandrafetana sy nampiainana ireo lafiny telo (03) niadidianay mba ho fanatsarana ny dingany manaraka :Voalohany,ny tranonkala ofisialy (http://www.tamifamadagascar.tk ) izay saika misy ireo fampitam-baovao sy tolotra rehetra entin’ ny TAMIFA Madagascar sy ny ambaratongany rehetra (Lahatsoratra samihafa,Fizarana boky mahasoa sy tahirin-kevitra, fampianarana,….).Faharoa, eo ny Facebook (http://www.facebook.com/groups/tamifamadagascar ) izay tambazotra malaza sy tena fampiasan’ ny tanora.Ary fahatelo,eo ny gazetin’ ny Fikambanana “ RANITRA” tahaka itony izay mivoaka tsy tapaka . Asa ny Mpikatroka isanisany raha hahatsangan-tsehatra itrandraham-pahalalana, hanehoana sy hanitaran-kevitra mihoatra noho ny toerana sy faritra mahazatra azy.Asa ny mpiombon’antoka mpiara-miantsehatra sy ny mpitazana raha hahavita hampita ny eritreriny ary ho afaka handrefy tsy ho amin-tendrony. Fa raha mbola fampahombiazana ankalazaintsika io no malaza dia ny manoka- dàlana handafarana kosa izao no tandrify azy.Soava ho amin’ ny fifamoivoizantsika àry! TAMIFA Communication

HO HITANAO ATO - WordPress.com...INONA NY ATAO HOE SUBCONSCIENT? Maro ny maniry ny hahalala tsara ny atao hoe Subconcient sy ny ilàna ny fifehezana azy eo amin’ ny andavanandrom-piainana.Nentina

  • Upload
    others

  • View
    16

  • Download
    0

Embed Size (px)

Citation preview

  • - LAHARANA FAHA 13 -  

    HO HITANAO ATO :

    Inona ny TAMIFA Madagascar

     

    Leadership ve ?  

    Trandraho ireo harena Tsy hita maso

     

    Ny famatsiam-bola eo amin’ny fihariana

     

    Ny Business model  

    Fihariana misy varany

     

    Maninona ireo vahiny no mpanefoefo be eto

    Madagasikara?

     

    EBOOK CADEAU

    NY SUBCONSCIENT SY NY

    TSIAMBARATELONY

     

    Sombiny kely ihany amin’ireo lahatsoratra miboiboika amin’ ireo endrika ara-elektronika izay navoakan’ ny TAMIFA Communication ka amporisihana antsika tsy an-kanavaka ny fanarahana azy no natambatra amin’ ity laharana iray ity. Nofantenanay ireo asa soratra izay tena manasongadina an’izay fivoy tato ho ato ary koa ireo navoakan’ ny Mpitarika manokana mba hahamora ny fahazoantsika manakatra azy akaikaiky kokoa.

    Marika maneho ny fahavononan’ ny TAMIFA Madagascar hatrany ny hitozo kokoa eo amin’ny ezaka fampandrosoana ny tanora no antonanton’ izy ity.Indrindra eo amin’ ny fanetsehana Fifeheza-mitarika (Leadership) sy fiatreham-pihariana (Esprit d’entreprise) izay teboka roa(02) lehibe hanompanany ny asa aman-draharahany. Goavana rahateo ny fanamby ilokalokana ankehitriny. Izany dia mifantoka amin’ ny fampitomboana ny isan’ ny tanora mahefa sy mahomby amin’ ny fampivoaran-tena ho reharehan’ ny fiaraha-monina ka sehatra hanajariana izany no ifandrindrana ao anaty Fikambanana. Raisinay ato amin’ ny TAMIFA Communication izay rafitra iray eo anivon’ ny TAMIFA Madagascar efa hatramin’ ny taona 2011 ny antoka ho amin’ ny famelomana sy ny fampiroboroboana ny endrika elektronika rehetra sahazan’ ny lentan’ ny fandrosoana atrehintsika ankehitriny. Azontsika tsaraina ary indrindra angatahina setriny tsy misy henamaso avy amintsika sahady amin’ izao fotoana izao ny nandrafetana sy nampiainana ireo lafiny telo (03) niadidianay mba ho fanatsarana ny dingany manaraka :Voalohany,ny tranonkala ofisialy (http://www.tamifamadagascar.tk) izay saika misy ireo fampitam-baovao sy tolotra rehetra entin’ ny TAMIFA Madagascar sy ny ambaratongany rehetra (Lahatsoratra samihafa,Fizarana boky mahasoa sy tahirin-kevitra, fampianarana,….).Faharoa, eo ny Facebook (http://www.facebook.com/groups/tamifamadagascar) izay tambazotra malaza sy tena fampiasan’ ny tanora.Ary fahatelo,eo ny gazetin’ ny Fikambanana “ RANITRA” tahaka itony izay mivoaka tsy tapaka . Asa ny Mpikatroka isanisany raha hahatsangan-tsehatra itrandraham-pahalalana, hanehoana sy hanitaran-kevitra mihoatra noho ny toerana sy faritra mahazatra azy.Asa ny mpiombon’antoka mpiara-miantsehatra sy ny mpitazana raha hahavita hampita ny eritreriny ary ho afaka handrefy tsy ho amin-tendrony. Fa raha mbola fampahombiazana ankalazaintsika io no malaza dia ny manoka-dàlana handafarana kosa izao no tandrify azy.Soava ho amin’ ny fifamoivoizantsika àry! 

    TAMIFA Communication

    http://www.tamifamadagascar.tkhttp://www.facebook.com/groups/tamifamadagascar

  • Inona ny TAMIFA Madagascar ?

    Mila sehatra hanandratany ny maha-izy azy ny tanora.Sehatra miantoka ny fampahombiazana ny fampivoaran-tena eo amin’ ny tsirairay.Dingana iray ho enti-mandray anjara amin’ izany no fototry ny antom-pisian’ ny TAMIFA Madagascar.

    Hatramin’ ny taona 2009 no ho mankaty,dia mifantoka kokoa amin’ ny fanetsehana ny fifeheza-mitarika sy fiatreham-pihariana ny asa aman-draharaha iompanany ka miorina amin’ ny fomba fiasa iaraha-mandrafitra sy fitsinjarana andraikitra mazava izany.

    Toe-tsaina manohana hevitra tsotra no imasoany:

    Miara-mandinika izay mahasoa sy mijery ny azo ifanampiana

    Miara-mamolavola asa mikendry vokatra hisongadinana isan-tokony

    Ka avy amin’ny alalan’ny fifanakalozana sy fifampizaràna : zava-pantatra (information), fahalalàna (Connaissance),fifeheza-manao(Compétence),haizatra(Expérience), fifandraisana (Relation)no hifampanjariana ny asa rehetra ao anatiny ka ankoatry ny ezaky ny tenany dia mifarimbona amin’ ny sokajin’ olona na vondron-kery afaka mifandrindra aminy ny TAMIFA Madagascar. Fepetra hentitra kosa ny tsy itsabahan’ ny Fikambanana amin’ ny lafiny politika sy fironam-pivavahana.Malalaka kosa ny tsirairay ny amin’izay safidiny ho amin’izany.

    NY ZAVA-KINENDRY ANKEHITRINY:

    Mahazo vahana amin’ny fifeheza-mitarika sy fiatreham-pihariana ny Mpikambana tsirairay hisondrotan’ ny TAMIFA Madagascar ka andraikitry ny rafitra isanisany ao aminy ny mitondra ny tandrify azy sady mahazo koa ny anjara tandrify azy avy amin’ izany.Ireo no mikendry ny fahatontosan’ ny tanjona ankapobeny araky ny faritan’ireo Fitsipika samihafa rahateo ifamatorana eo anivony.

    Araka izany,dia tefena ho fitaovana hitarika ho amin’ ny fandrosoana ity sehatra ity izay marihina fa efa mijoro ara-panjakana ka samy tompon’ antoka amin’ ny fampivelarana ny ambaindainy ny Mpikambana tsirairay. Misokatra ho an’ ny tanora tsy an-kanavaka vonona sy hitozo amin’izany asa izany ny TAMIFA Madagascar.

    LEADERSHIP VE?

    Ny fandinihana ny tantaran’ ireo olo-malaza eran-tany sy tafita teo amin’ izay nifotorany no niaingan’ ny fianarana ny Leadership.Ny fahatsapana fa tsy kisendrasendra akory ny maha tafapetraka eo amin’ ny toerana Leader izany no antony mahatonga azy ho iray amin’ ireo taranja tsy

    maintsy atao (obligatoire) sy lafo vidy any amin’ ireo tany manan-karena toy ny any Amerika. Tsy misy rahateo ny nateraka dia Leader avy hatrany.Ary ny rehetra dia afaka ho tonga Leader avokoa raha tena mikokotra. Tsy mijanona ho fananana azy ho fahaizana fotsiny ihany anefa no tena zava-dehibe aminy fa ny fahafehezana. Hita ho manakaiky azy kokoa ny fandikana amin’ ny teny Malagasy hoe “Fifeheza-mitarika”izay noraisintsika ato amin’ ny TAMIFA Madagascar. Araka izany dia azo faritana tsotsotra hoe fianarana ho amin’ ny fampivoaran-tena mampizotra amin’ ny fahombiazana ny Leadership.Izy no isan’ ny miantoka ny fampivelarana ny maha-olona. Ny fiheverana manokana manodidina ny olona no antom-pisiany ka ny tenantsika tsirairay mihitsy no mila mahafehy azy. Diso ny fitsarana am-bolony indraindray fa natao ho an’ ireo mpanao politika sy mpitondra fanjakana ihany no tena manandrify ny Leadership.Tsy afaka mivelona samirery eto ambonin’ ny tany isika fa tsy maintsy misy ny hafa mifampiankina amin’ ny tontolontsika.Ny fandaminana ny fiarahana eo amin’ ny mpiray monina sy sahan’asa hampahomby izay kendrena no idiran’ ny Leadership.Ny olona mandray ho tompon’antoka eo amin’ ny raharahany,ny tanora haka andraikitra samihafa eo amin’ny fiainany sy mitady fivelarana dia samy mila izany avokoa. Isan’ ny afangaron’ ny sasany eo amin’ ny fanoritana azy amin’ ny Management ny Leadership izay tsy mitovy na dia mifameno aza eo amin’ ny fampandehanan’asa.Ny fampitoviana ny olona amin’ ny zavatra izay azo tantanina ara-bakiteny no mahavoa sy mamandrika ny maro ankehitriny. Ny zavatra tokoa no azo tantanina (Management) saingy ny olona kosa dia tarihina (Leadership). Io fahaiza-mandamina ny olona amin’ ny fitarihana io no Leadership.Indraindray mantsy toa adino fa ny fahazoan’ ny sehatra iray toy ny orinasa na Fikambanana teboka miabo dia tsy maintsy niainga sy niankina tamin’ ny olona izay nikokotra sy niasa taminy.Raha te hampitombo vokatra tsaratsara kokoa noho izany ankoatra ny lafiny hafa toy ny ara-teknika dia tsy maintsy mijery sy mifantoka koa amin’ ny olona izay otrikarena (ressources) voalohany.

    Be ny dingana tsy maintsy lalovan’ ireo izay maniry ho Leader ka ifampizarantsika Mpikambana lalandava eto ny andinindininy satria mitaky famoronana tanora Leader be dia be amin’ ny lafiny rehetra isika raha hikatsaka fandrosoana mitombina ary aty anaty Fikambanana toy izao dia lalana iray manetsika ho amin’izany.

  • INONA NY ATAO HOE SUBCONSCIENT?

    Maro ny maniry ny hahalala tsara ny atao hoe Subconcient sy ny ilàna ny fifehezana azy eo amin’ ny andavanandrom-piainana.Nentina hanazavana tsotsotra izany ity lahatsoratra ity

    ary niniana ny tsy nampiasa fandikan-teny azy amin’ ny teny malagasy na dia efa misy ihany aza ny olona sasany miezaka mamorona voambolana hanondroana azy (Tonontsaina, amparahatoka,….)

    Manana hery ara-batana sy ara-tsaina tsy hita pesipesenina ao aminy ny olombelona tsirairay. Ny Dr William James izay rain’ ny psychologie moderne dia nahatsapa fa ny folo isan-jaton’io hery io ihany no tena ampiasain’ ny besinimaro matetika.Ny ambiny dia lasa mijanona ho harena tsy voatrandraka ao anatintsika ao.

    Ireo karazan’ olona te hivelatra amin’ ny asa sahaniny toy ny tanora milofo amin’ ny fiainana mba te ho tafita, ny ray na renim-pianakaviana te hampirindra ny tontolon’ ny ankohonany, ny mpanao raharaham-barotra te hampiroborobo ny fihariany, ny mpanao politika te hisarika vahoaka sy mandresy lahatra amin’ ny fampanjakana ny heviny, ny mpivavaka te hampitombo kokoa ny finoany an’Andriamanitra dia samy mampiasa ny ampahany amin’ izy io mba hampiteraka vokatsoa amin’ ny tandrifiny. Ny mpandraharaha vaventy any amin’ ireo orinasa matanjaka any am-pita moa dia tsy mitsitsy vola mihitsy manakarama lafobe amin’ ny fihazana olona mahafehy ny Subconcient.

    Izany hoe singa iray miantoka ny fampivoaran-tena ny fahafehezana azy ka ny fiasana na ny fampiasana ny Subconscient no mitana anjara toerana goavana amin’ izany hery izany.Ireo mpianatra miofana manokana momba ny fitarihana olona (Leadership) rahateo dia milafika manokana sy manome lanja azy . Fa inona marina moa izy ity ary aiza no misy azy?

    Ny fahasalamana no voalohan-karena hoy ny fitenenana ka adidin’ ny isam-batan’olona ny mitandro sy mikojakoja ny tenany .Mifampiankina no sady mifameno ny asan’ ny vatana sy ny saina kanefa mazàna dia ny ara-batana ihany no mahavantana antsika ny mikarakara azy.Toa adino ny saina izay faritra iray lehibe miantoka ny fivelomana ara-dalanan’ny olombelona.Na ny marina kokoa, tsy dia noheverina loatra izany fa nosokajiana ho toy ny mandeha ho azy fotsiny.Raha sanatria anefa ka ao no tsy metimety dia fahavoazana mitranga ho an’ ny tena iray manontolo.

    Mikotrana amin’ ny karazam-panatanjahan-tena toy ny hazakazaka ohatra isika.Midio sy mandro isan’andro saingy ny vatana ivelany ary ny taza-maso ihany no vita mangatsakatsaka.Ny saina kosa dia tsy tafiditra ny fanadiovana azy.Mety hanontany ianao hoe ahoana koa izany? Tsy mamono eritreritra amin’ ny fisotroan-toaka

    ve no dikan’izany? Io fikarakarana ny saina io anefa no tena fomba ampiharin’ ireo mpamolaka ny Subconscient ary ny zava-doza dia misy mampiasa izany ho fitaovam-pandemena fa tsy amin’ ny fandrosoana.

    Hain’ ny mpitondra na ny mpanao politika ohatra ny mandroboka ny olona amin’ ny hevitra izay tsapa fa tsy dia mitombina akory rehefa fakafakaina.Any an-dafy any dia misy mihitsy sampana manao anton-draharaha izany (Ingénierie du contrôle de la masse).Gaga ny rehetra aty aoriana manontany ny antony nampiraikiraky azy noho izany izay tsy inona fa dia mbola filalaovana ny manodidina ny Subconscient daholo.

    Etsy an-daniny koa dia misy aretina misoko mangina manafika mandrakariva io saintsika io ka mitarika fahavoazana ho azy tsikelikely.Izany aretina izany dia tsy tsapantsika na henon’ny vatantsika ny fisiany kanefa dia miantraika amin’ny tena mivantana. Ahoana izany hoy ianao?

    Tantara kely izay maneho ny endrika iray amin’ireo soritr’aretina ity: Mbola tovovavikely i Robertine tamin’ izany teny Itaosy no nanontaniako an’ izay finoana arahiny.”Propestant” izahay hoy izy.Avy hatrany aho dia nanitsy azy hoe “Protestant “no izy fa tsy propestant”! Roapolo taona taty aoriana vao nifankahita indray izahay satria izy nanohy ny fianarany ambony sy nipetraka tany Frantsa.Rehefa nifampitafatafa teo, nanontany azy indray aho hoe mba mandeha mivavaka toy ny aty ve ianareo rehefa alahady any am-pita any? Dia hoy ny navaliny:”Tsy tapaka izahay mamonjy fotoam-pivavahana isan-kerinandro any amin’ ny fiangonana PROPESTANT any Marseille.”Mety hampihomehy antsika saingy inona no tiana ambara?

    Efa raiki-tampisaka eo amin’ i Robertine hatry ny fahakely mihitsy ny fanononana ny Protestant ho Propestant ka dia tsy afaka eo am-bavany intsony na dia nifandimby aza ny taona sy nandroso ny fianarany.Ny antony dia efa tavela ao amin’ ny Subconscient-ny izany zavatra izany ka tsy mety voaova sy toy ny mandeha ho azy.Zava-bitika ny fiheverantsika hatrizay ny tarehin-javatra toy io kanefa dia ilàna fitandremana.

    Araka ny fanazavana ara-tsiansa avy amin’ ny mpandalina mantsy dia misy lafiny roa (02) mandrafitra ny saina ka ny ilany voalohany atao hoe”Conscient”.Io ilay saina mamakafaka sy mandanjalanja.Manamarina ny tena zava-misy ary maka ireo fanapahan-kevitra tokony ho ekena na koa ho lavina.Izy dia lafiny mahay manasivana ny soa tokony hampidirina sy manala ny ratsy tsy ilaina.Ny ilany faharoa kosa izay ny Subconscient dia ny saina tsy mahay afa-tsy ny mitana izay rehetra hita, heno sy tsapa ary tsaroana.Ao no mipetraka ny fahazarana izay nanjo an-dRobertine ohatra,ny faniriana sy ny fihetseham-po samihafa ka hery goavana ananany ny fanosehana ny tena iray manontolo hanatontosa izay hevitra efa masaka sy tafapetraka ao anatiny ao.Ny Subconscient izany dia tsy inona fa ampahany amin’ ny saina izay mitahiry ireo

  • hevitra lalina efa miraikitra amin’ ny olona iray ka afaka mibaiko azy tsy nahy tsy manaraka ny sitrapon’ ny lafiny“Conscient” ao anaty.Izy dia tsy mahay manasivana fa mandray avy hatrany izay alentika ao aminy.

    Toa hafahafa izy izany hoy ianao angamba saingy araho koa ange ity tantara iray ity izay mbola tantarana tovovavikely koa.Tantara tena marina ary nivoaka tamin’ ireo haino aman-jery teto Antananarivo taona vitsivitsy lasa izay.Nifankatia tamin-jazalahy i Sandratra zanaka dokotera tetsy Mahamasina.Noraràn’ ireto ray aman-dreniny mafy tsy hiaraka anefa izy roa kely ireto nohon’ ny antony izay tsy idirantsika eto.Fandraràna izay zary niteraka fankahalàna tao an-tsain’ ireto mpifankatia rehefa niverimberina.Rehefa nandeha ny fotoana,naka fanapahan-kevitra izy roa fa hamono ho faty mihitsy an’ ireo ray aman-dreniny nahitany masoandro.Ny niafaràny dia tanterany ny tokoa izany fihetsika henjana izany satria tao anatin’ ny iray andro monja dia matiny avokoa tsy nisy antra izy mivady lehibe niaraka tamin’ ny mpiasa iray mpanampy tao an-trano.Mbola eny amin’ ny fonjan’ Antanimora ireto tanora ireto no mizaka ny saziny mandraka ankehitriny.Mety hierireritra angamba isika hoe sao nidoroka zava-mahadomelina izy ireto teo am-panatanterahana izany saingy ny tiana avoitra kosa dia ny fiasan’ ny Subconscient tao an-tsainy:

    1/Hevitra efa mifikitra ao an-tsainy ny hifankatia ka tsy misy na iza na iza afaka hanozongozona azy.

    2/Mamorona fankahalàna ho azy ireo tsikelikeky ny fandraràna natao azy ireo ka nanamora ny asan’ ny Subconsient ho tonga hatrany amin’ ny famonoana olona mihitsy.Resy tosika teo ny “Conscient”.

    Isika rehetra mpamaky koa dia manana ohatra velona samihafa efa niainana ny fiasan’ ny Subconcient .Indraindray isika miresaka hoe toy ny hoe nentin-javatra sy tsy tompon’ ny tenako aho tamina seho nitranga iray tahaka izao, na koa tsy nampoiziko hahavita zavatra toy izao na toy izatsy ny tenako kanefa dia tafavoakako soa aman-tsara ihany ilay izy.Ary na ny ntaolo malagasy aza dia nahatsapa amin’ny alalan’ ilay filaza hoe: “Aleo enjehin’ ny omby masiaka toy izay enjehin’ ny eritreritra”.

    Araka izany, dia na iray alehany: Fositra mamorika sy mitondra fihemorana ho an’ ny fiainanao ny herin’ ny Subconscient.Na iray izorany: Tombony manokana ho lasa fitaovana hanampy sy hanamora eo amin’ izay atrehinao izy.Ny dikany dia ilaina ny hifehezana azy ary azo tomorina akaiky ny mitrandraka ireo teknika samihafa amin’izany satria zovy moa no tsy te hampahomby ny tenany?

    « Douter de tout et tout croire sont deux solutions également commodes qui l’une et l’autre dispensent de réfléchir » Poincaré

    Naina RAKOTOMALALA

    « TRANDRAHO IREO HARENA TSY HITA MASO»

    Iray tamin’ireo teboka izay navoitran’ i Ndriana RAKOTONDRATSIMA tamin’ ny tafatafa nifanaovana taminy tao amin’ ny tranonkala ny manodidina ny fiatreham-pihariana.Nambarany fa tsy voatery ho vola avy hatrany akory no tokony abahana ao an-tsaina voalohany raha vao manetsika fihariana.Tsy lavina hoy izy fa ilaina ny vola eo amin’ ny fiainana saingy tokony hijanona ho fitaovana ho enti-manatanteraka izay kinasa na vinan’ ny tsirairay izay faritany izany. Amin’ ity Filoha nasionalin’ ny TAMIFA Madagascar ity dia misokajy ho roa no karazan-karena azo tovozina eto ambonin’ ny tany. Ny voalohany dia ny harena hita maso na richesse visible.Io ilay hitsarantsika mazàna ny olona eo amin’ ny fiaraha-monina hoe manankarena i Ranona na tsy mbola lasa lavitra.Avy amin’ ny fijerena sy fitanisana ireo fananana hita maso toy ny tranobe mijoalajoala mitsangana, fiara raitra lafo vidy, tany, omby sy ny sisa no fandrefesantsika azy. Fa ny faharoa dia ny harena tsy hita maso na richesse non visible.Ny Ntaolo malagasy ohatra dia nilaza fa ny fahasalamana no tena voalohan-karena ary ny lova tsara indrindra izay harena mendrika ho an’ ny tanora dia ny fahaizana amam-pahalalàna. Misy koa ny fahendrena sasany izay manindry fa ny filaminan-tsaina anaty na paix intérieure no tena izy.Izany hoe na mivangongo tahaka ny inona aza ny vola amam-pananana eo am-pelantananao dia mety hidika ho fahantrana ihany izany raha toa ka tsy mirindra ny ampahany amin’ ny fiainanao: toy ny fifandraisanao amin’ ny fiaraha-monina,ny olana eo amin’ ny fitiavana sy tontolom-pianakaviana,….. Mamporisika manokana ny tanora i Ndriana RAKOTONDRATSIMA hifantoka kokoa amin’ ny fitrandrahana ny harena tsy hita maso.Ny saika itovizan’ireo olona mpanefoefo sy misongadina eran-tany rahateo dia ny fahaizan’izy ireo nampiasa ity harena faharoa ity.Ary na ahoana na ahoana koa dia tsy maintsy tafiditra tanatin’ izany ny tetika fifeheza-mitarika nilafihany.Misy hotsakotsakoina e!

    TAMIFA Communication

  • FANDRINDRAM-PIHARIANA: AHOANA NY AMIN’NY FAMATSIAM-BOLA?

      Resaka saika aroson’ny tanora rehefa mba midinika ny amin’ny fananganana fihariana ny mikasika ny sakana lehibe eo amin’ny vola ho enti-mihetsika (Fonds de départ).Betsaka tokoa ny manan-kevitra hamorona manokana orinasa ho an’ny

    tenany kanefa tsy mahavita manainga izany nohon’ny enti-manana.Mankany amin’ny banky na rafitra mpikirakira vola (Institution financière) izy ireny kanefa dia maro ny fepetra toy ny hoe tsy mampindrana ho an’ireo vao hanorina,mitaky antoka lehibe,fahasarotan’ny antontan—taratasy ilaina.Adihevitra mipetraka noho izany ny amin’izay tokony hatao,inona avy sy hatraiza ny andraikitry ny Fikambanana toy ny TAMIFA Madagascar? Nifanatona indrindra tamin’ny Mpandrindra Foibe Naina RAKOTOMALALA izahay. « Voalohany indrindra dia tsara ho an’ny tsirairay aloha ny miasa manangona, mangorona traikefa ary mianatra ny atao hoe fitantanana marina mba hahafahana manoritra izay tokony hizorana.Mitaky finiavana, fandavan-tena ary herin-tsaina matanjaka ny mitantana sy manangana orinasa iray na dia heverina ho bitika aza izy eo am-panombohana.Ilaina ny mikatroka avy hatrany ka ilofosana ny fampahombiazana azy.Ny fitadiavam-bola,ny tsena,ny fifandraisana (Contact) dia manaraka ho azy avy eo arakaraka ny filan’ny orinasa izay najoro.Rehefa feno tsara ny fahavononana dia roso amin’izay.Mibata ny voangona na ara-bola na ara-tsaina ka ireo no atolotra ny olona na ny ambaratonga hikarohana fanampiana.Ho azo antoka kokoa amin’izany fa hisy mpandinika ny mombamomban’ny tetik’asa nentina. Faharoa,ny TAMIFA Madagascar dia tsy mpamatsy vola akory fa sehatra natao hanamora sy hifanakalozana satria isan’ny kendreny ny mamelon-kasina mampizatra ny tanora ny kolon-tsaina miroboka amin’ny fihariana sy fandraharahana (Culture d’entreprise et sens d’affaire).Azon’ny samy Mpikambana ny mifampiantoka(Caution solidaire) rehefa maty paika ny tetik’asa sy ny fifandaminana ho amin’izany.Ny lehibe indrindra dia ny fahafehezan-javatra satria ny asa tsy hay dia tsy hamokatra na oviana na oviana.Manana rafitra manokana miadidy ity fandrindram-pihariana ity sy ny manodidina azy ny Fikambanana ka raharaha ilafihany ny mifampizara haitao,miofana sy mifampianatra mivantana,mandrafitra tetik’asa isan-taranja hanaraka fenitra,mifandray sy miantsehatra amin’ny sokajy samihafa.Marihana moa fa samy azo ketrehina ato amin’ny TAMIFA Madagascar na soritr’asa mandeha ho an’olon-tokana na soritr’asa ifanakonan’ny Mpikambana vitsivitsy( Projet individuel ou collectif). »

    MPAMPITA: Lova RAZAFINJATO Mpiandraikitra ny

    TAMIFA Communication

    Ny concept vaovao amin’ny fandrafetana projet :

    Ny business model  Tamin’ny fotoan’andro teo aloha, talohan’ny taona 80-90, dia mbola maro amin’ny entana ilaina no tsy nahafeno ny tolotra misy. Nisarika ny maro noho izany ny fianarana manamboatra ilay vokatra; ary rehefa mamorona orinasa avy eo dia ny fomba fanamboarana ilay vokatra no tena nahamaika voalohany, fa izay mahita ny fomba fanamboarana ilay vokatra no nahazo ny tsena. Tapitra hatreo izay “concept “teo aloha izay, miova izao ny tontolon’ny asa. Mitobaka ary isan-karazany karazan’entana amin’izao fotoana izao, ary misy kalitao maro sy mitondra valeurs samihafa. Nanafaingana izany moa ny tosiky ny toekarena Sinoa, ireo firenena aziatika hafa, ireo any Amerika Latina. Raha raisintsika ny lafiny savony ohatra dia feno karazany, misy ny kalitao ambony sy mitondra valeurs maro, misy ny savony fotsiny amizao manala loto mora miala fotsiny, misy ny vovony misy ny gel, misy ny ranony, misy ny fanasana tarehy ary misy ny fanasana volo, misy ny natokana fampiasa amin’ny milina fanasandamba, misy ny manala tasy manokana. Ny savony dia tsy fanalana loto fotsiny toy ny taloha, fa lasa manala tasy amin’ny hoditra koa ny sasany. Tao anatin’ny siècle iray dia tsy tambo isaina ny karazan-tsavony raha toa ka vongan-tsavony fotsiny izany tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha 20. Tsy misy heviny intsony ny hoe mpanao savony fotsiny amin’izao fotoana izao fa tsy maintsy faritana hoe savony ampiasaina anaovana inona, ampiasain’iza ary amidy aiza, izany hoe tsy ho an’ny rehetra fa misy “cible mazava” amin’izay. Tapitra hatreo ny fanomezana fahafaham-po ny rehetra amin’ny vokatra iray fa tsy maintsy misy fandrindrana manokana. Izay no ilazana fa tapitra ny andron’ny “production de masse”. Ny fiovana lehibe iray koa dia ny toerana hivarotana ny vokatra: tsy misy intsony ny hoe ny vokatra vita dia raisin’ny grossiste mahazatra ary tsinjaraina eny amin’ny mangazay. Efa samy manana ny mpaninjara voatokana ho azy ny entana iray amin’izao arakaraky ny “cible”. Ny famaritana ny mpaninjara afaka manaparitaka ny vokatrao dia mitaky koa ny famaritana ny toetran’ny vokatra azony tsinjaraina. Raha “librairie” ihany no fitadiavana boky taloha, dia ankehitriny dia tsy voatery intsony fa ao ny fividianana boky amin’ny “internet”, ao ny atao hoe “téléchargement” amin’ny “internet”, ao ny “tablette “famakiana boky “numérique”. Alohan’ny hanoratanao boky izao dia mila fantarina ny fomba fitsinjarana azy, fa arak’izay no hanontàna na tsy hanontàna mihitsy ny lahatsoratra soratana. Ary miankina betsaka amin’ny”concept” fitsinjarana ny vokatra ny fahombiazan’ny asa famoronana iray: izay ilay antsoina hoe “Business model”, ny fomba fampidiram-bola amin’ny famoronana atao. Amin’ny fanaovana “projet” vaovao amin’izao fotoana izao dia io business model io indray no manan-danja betsaka fa tsy ny vokatra vokarina intsony. Ny vokatra iray dia azo amoronana “Business model” maro ary miankina amin’ny hatsaran’ny “Business model” tafita any amin’ny kendrena ny fahombiazan’ny projet, fa tsy miankina intsony amin’ny hatsaran’ny vokatra.

    Rija RAVELONARIVO

  • FIHARIANA MISY VARANY!

    Ankoatra ny tsy fananana vola ho enti-miainga (Fonds de départ) dia fanontaniana iray ambetin-tenin’ ny tanora koa matetika rehefa miresaka fihariana ny hoe taranja inona izao no tena mety sy mandeha tsara? Ny olana mantsy dia toa

    alaim-panahy isika ho voasarika amin’ izay efa be mpanao eo ihany ka tsy dia tonga lavitra fotoana vitsivitsy avy eo ary ny sasany aza tafiditry ny fatiantoka sahady vao eo am-panombohana. Hotely iray nidirako teto Antananarivo dimy taona lasa teo ho eo izay no nahitako voalohany itony fampihiràna olona amin’ ny alalan’ ny Karaoke itony.Tato ho ato, aiza amin’ ny elakelan-trano no tsy hipoka an’izany? Farany, tsy maharototra ny olona intsony ankehitriny izany hoe hanao Karaoke izany satria na ny any an-tranony aza dia efa tongan’izany sy tsy andoavana vola intsony. Dia saika toy io avokoa ny taranja azo ifotorana ka mahavaka ny saina.Ny tena marina anefa dia mbola malalaka ny sehatra azo folahina saingy ny fandinihan’ ny saina azy amin’ ny fijery miova no tsy ampy na mbola tsy ao.Manamarina izany rahateo ny fahalalàna ny tantara ankapobeny an’ireo mpangoron-karena malaza rehetra.Na ny eto amintsika na ny any am-pita. Misahirana ery isika mazàna mikatsaka izay fomba rehetra izao ahazoam-bola ka dia lasa lavitra mihitsy ny eritreritra.Ilay hampiteraka vola sy tena hampanan-karena anefa tsy lavitra fa eo akaiky eo ihany saingy tsy mety mbola hita angamba.I Russen H Conwell ao amin’ ny bokiny « Une mine de diamants sur vos pieds » dia maneho ny tantaran’i Ali Hafed izay tompona tanim-pambolena lehibe sy namokatra tany Iran.Na dia azo lazaina hoe efa nanankarena aza izy dia nahasintona azy kokoa ny hitady diamondra mba hahatonga ho tena mpanefoefo.Namidiny ny taniny sy ny fananany mba hikatsahany an’ izany ary vitany mihitsy ny nitety firenen-tsamihafa.Nandeha anefa ny fotoana,nikofohany avokoa izao fomba rehetra izao saingy tsy nahita mangirana sy pitiny kely akory.Nony farany,matin’ ny hanoanana sy ny fahantrana tany an-tanin’olona i Ali Hafed.Tato aoriana anefa dia fantatra fa nahatsirihana diamondra tsy hita noanoa tao amin’ ilay taniny izay efa namidiny (Découverte de la mine du Golcanda). Raha tena hiroso marina amin’ ny fihariana dia mipetraka ho olana tsy maintsy dinganina koa ny fanahiana lalina tsy hisy mpanjifa eo amin’ ny vokatra entina sy ny fahateren’ ny fifaninanana mitranga. Mila fahasahiana rahateo ny fiainana satria herim-po ho very maina fotsiny raha toa ka variana mihazohazo amin’ ny fakàna fanapahan-kevitra ianao.Toy izany koa ny fiheveran-tena tsy hihoatra noho ny hafa. Rehefa manorina fihariana, indrindra fa amin’ ny famoronana dia ireto soritra roa (02) loha ireto no tsy maintsy fehezina: 1/ Manapongatra vokatra vaovao ka mikaroka ireo mbola tsy nisy mpanao ka mitrandraka azy tsy an-kijanona.Eo no iandrandrana ilay fahaiza-mamorona avy any aminao ary dia ao anaty ao ihany no hitadiavana azy.Jereo fa misy talenta manavanana anao, ohatra, ka avy amin’iny no anapoiro fanitarana miandalana.Mety ho mbola miafina aminao izany

    izao na koa vaka ianao mifantina izay tena ifantohana raha sendra safidy maromaro. Tsy misy izany olona tsy manan-katokona izany fa ny fahavononana sy ny finiavana no tsy feno. Saina mila mamoaka hevitra no fitaovana fototra eto fa tsy vola mivantana mety tsy ho eo am-pelantanana avy hatrany.Azo hatevenina tsikelikely amin’ ny fianarana na fiofanana samihafa ny tontolo manodidina ilay taranja ilofosanao avy eo hamparanitra azy. 2/ Manatomombana ny vokatra ho an-tsakany sy an-davany ka mampitombo hatrany ny lanjan’ ny vokatra entina mba hiakaran’ ny tombam- bidiny ho ambony kokoa.Io ilay hoe: Fihariana misy varany! Eo no mitsofoka ny fahaiza-mitetika.Tsy hoe mamboly tsaramaso ianao akory ka iny vokatra avy notazana sy nangoninao teny an-tsaha iny no avy dia varotana eo no ho eo. Hiakatra ho ambony kokoa, ohatra ny vidin’ io tsaramaso io raha vitanao ny maneho azy anaty boaty toy ny hita eny amin’ ny trano fivarotana lehibe ireny. I W.Cham kim sy Réné Mauborgne izay anisan’ ireo mpampianatra stratejia malaza dia nanao fampitahana ny endriky ny fifaninanana eo amin’ ny tsena ho toy ny ranomasina roa(02).Ny voalohany dia ny ranomasina mena izay efa feno atsantsa ka tsy tokony ilomanosana intsony.Tsy inona io fa ny tsena efa ifanosehan’ny daholobe.Ny faharoa dia ny ranomasina manga tsy mbola tsikaritry ny atsantsa ka midadasika tsara ny sehatra azo ilomanosana ao.Raha famolavolan-javatra izany dia mila mitodika any amin’ ny ranomasina manga . Mety hivadika ho mena ihany anefa ny ranomasina manga rehefa ela ny ela satria hitsambikina ao ny atsantsa sasany saingy tadidio fa rehefa ianao no nitarika dia sarotra ho an’ ny hafa ny hisongona na dia miezaky ny haka tahaka aza izy. Nisy tanora nandinika ny tontolon’ ny famakiana gazety teto Antananarivo taona vitsivitsy lasa izay .Nahatsapa izy fa raha gazety tsy misy lahatsoratra toy ny fahita mahazatra no havoaka fa ireo tolotra samihafa azon’ ireo mpamaky ifanakalozana eo amin’ ny raharaham-barotra dia mety ho be mpanjifa.Nirobohany ny ranomasina manga ka niroborobo be ilay gazety nony niseho.Eny na dia samy fantantsika aza fa betsaka ireo manandrana mamoaka mitovitovy aminy ankehitriny satria ny azy efa tafapetraka ao anatin’ ny mpanjifa.Izay ilay hoe misy varany ! Eto am-pamaranana dia tiako ny mitondra ito tenin’ i Thomas EDISON ito izay tsy iza f’ilay olona namorona ny takamoa voalohany (Ampoule éléctrique): « La plus grande faiblesse des gens réside dans leur grande rapidité à abandonner. La façon la plus certaine de réussir, c’est d’essayer d’une fois de plus, encore et encore ». Ny fifotorana amin’ ny asa dia tsy azo tsinontsinoavina.Ny fototry ny fahombiazan’ity ranamana ity dia izy tsy sasatra nitozo tamin’ ny fanandramana izay tsy latsaky ny 10 000 isa vao nahaoty vokatra niabo.

    Naina RAKOTOMALALA

  • Maninona ny vahiny no lasa mpanefoefo be eto Madagasikara? 

    Tahaka ny olombelona rehetra ihany isika malagasy,samy mba manana faniriana ny hanankarena sy higalabona amin’ ny fananam-bola.Vitsivitsy ihany anefa no tena hita soritra sy tafita amin’izany na dia fantatra fa be aza no miezaka.Ny tsapa araka ny zavamisy miharihary hitan’ ny besinimaro eny amin’ ny

    fiaraha-monina eny dia ny teratany vahiny no tafasongadina amin’ ny fihariana sy mora malaky misondrotra raha mitaha amin’ ny zanatany eto.Dia lasa ny ny eritreritra indraindray manao hoe fa maninona tokoa àry ny vahiny indray no tena tompon’ ny vola aman-karena eto Madagasikara? Ny atidoha ve no tsy matsilo tsara sa ny tetika ampiasaina amin’ ny fiatreham-pihariana no tsy mandeha amin’ ny laoniny? Sa ny fifandaminantsika samy isika eto mihitsy no tsy voarindra amin’ ny tokony ho izy?

    MIKAROKA FOMBA SAMIHAFA NY OLONA Raha ny marina dia tsy moramora izany ho lasa mpanefoefo izany raha tsy mikikotra .Io dia tambatry ny filofosana tsy tapaka araka ny fianarana sy ny traikefa niainana.Ny mahavariana dia tsy misy mihitsy ny tena fampianarana mivantana ny fomba hampanankarena izany fony isika nianatra na ho an’ ny sekoly mijoro ankehitriny.Misy ohatra ny taranja isisihan’ ny zatovo toy ny fitantanana (Gestion) izay tsy inona fa fanoroana ny fandrindrana ny harena efa misy sy efa azo .Ny manahirana anefa dia ny fomba ahazoana izay hotantanina no tsy tsinjo amin’ ny lesona ampidirina ao an-tsaina.Anjaranao samirery aty aoriana eo amin’ ny fiainana no “mihetsika” manakambana an’ izay fahalalana norantovinao, miampy an’ izay haisedra na torohevitra samihafa azonao tamin’ ny fitsikarahana tetsy sy teroa. Manampy trotraka rahateo ny mbola mampatanjaka ny kolon-tsaina samihafa izay mitaiza antsika tsy dia mankany amin’ izay hivelarana loatra.Omanina ho mpikarama mazàna ny tanorantsika raha ny fanabeazana atolotra azy ireo ary azo lazaina ho mahalana ny fisian’ ny sekoly mifototra amin’ ny fanaingàna ny mpianany hanana nahim-po (Initiative) ho amin’ ny famoronan’asa fa tsy hiantehitra ho tonga mpiasan’ olona fotsiny any aoriana. Dia hianatra foana àry ve izany raha mba te ho deba ary inona no lalana hafa sy mahomby hoy angamba ny mety ho fanontaniantsika.Araky ny fijery tokoa mantsy dia misy lalana miisa efatra mitarika ny olona iray ho tonga mpanefoefo ankoatra ity mikikotra ity: 1/ Toy ny hoe nitsiky taminao ny vintana teo amin’ ny fiainana ka dia izay no nahazoana vaingankarena. Matetika dia mety ho amin’ ny fotoana tampoka sy tsy nampoizina no niaviany. ( Lokabe indray nipoaka tamin’ ny tontona lokan-tsoavaly.na lalao kisendrasendra). 2/ Eo koa ny hoe tafiditra amin’ireo sokajin’ olona sasany izay azo antsoina hoe “efa namantana ny vonona” ny toeranao.Mety avy amin’ ny fianakaviana mahitahita ny misy anao na koa mety ho nandova be.Ity sokajy ity dia somary efa miditra any amin’ ny

    fitantanana sy fanitarana no ampiasan- doha fa tsy dia any amin’ ny fiaingana famoronana harena firy. 3/ Na ianao mitatatra izay tsy an’ ny tena.Izany hoe mitavana ny hatsembohan’ ny hafa.Mangalatra sy mitsoboka amin’ ny kolikoly no tiana ambara. Lalana tena tsy mendrika izy ity kanefa dia misy miroboka amin’ izany. 4/ Na koa miditra amin’ ny fianakaviana efa manan-katontona amin’ ny alalan’ ny fanambadiana.Mahazo zanaky ny mpanana e! Ireo vahiny mitady harena eto amintsika dia misy mampiasa ireo lalana ireo.Raha tsy hilaza afa-tsy ity sokajy fahefatra voalaza farany ity dia samy iaraha-mahita fa toy ny gisa mainty izany hoe karana vavy ka hanambady tovolahy malagasy izany na dia sesehena aza ny “bôgôsy”.Antonantony io mahatonga ny harenan’ izy ireo tsy tafavaha fa dia mitohy lalandava eo amin’ny taranany mifandimby.Lova tsy mifindra hoy isika malagasy. Raha jerena ankapobeny dia ny vazaha frantsay, ny sinoa ary indrindra ny karana no betsaka indrindra amin’ireo vahiny lasa mahatretreha eto amintsika.Isaina amin’ ny rantsan-tanana sy tondroin’ny olona molotra raha misy amin’ izy ireny no sendra solafaka na sahirankirana.Ny karàna moa dia nomen’ ny sasany anaram-bositra hoe “Ry Fatsouraly mianakavy “ nohon’ ny elanelana lavitra misy eo amin’ ny fahazoan-karena vitany raha miolotra amin’ ny teratany eto. Tsy voatery ho filamatra avokoa anefa izay afitsok’ izy ireo satria ao no misy tafiditra hatramin’ ny tambanjotrana-mafia, mamotsy vola avo lenta, manao varotra an-tsokosoko sy mamoafady mihitsy.Ny ilaintsika kosa dia ny lesona azo tsoahina avy amin’ ireo fombafombam-pihariana nahombiazan’ izy ireo madio.Tsy mikendry rahateo toe-tsaina mialona na fankahalana vahiny (Xénophobie) ny tanjon’ ny Hadihadintsika eto.

    NY SEHATR’ASA FEHEZIN’ NY KARANA Raha ry zalahy karàna na ireo Indo-Pakistanais ara-tantara dia efa ela tamin’ izy ireo no nanorim-ponenana teto hatramin’ ny fanjanahan-tany.Misy mihitsy aza no efa tonga hatramin’ ny taranaka (Générations) fahefatra misesy.Maro no mizaka ny zom-pirenena Malagasy ka nahazo tombony tamin’ izany ka afaka nividy tany tetsy sy teroa.Misy faritra eto Madagasikara ahitana vondron-trano sy tany maromaro (Cité) ary fantatra fa ana fianakaviana karana iray.Misy efa lasa malazabe eo amin’ ny tontolon’ ny fananganan-trano ny sasany.Midika izany fa hain’ ny teratany karàna ny mampiasa sy manodina vola eo amin’ ny sehatry ny trano sy ny tany. Isan’ ny sehatr’asa tsy avotsiny koa anefa ny raharaham-bolamena.Mividy dia manefy ary mivarotra izany.Ireo teratany malagasy mividy volamena eny rehetra eny dia mbola mivarotra izany any amin’ ireo karàna “bijoutier”. Eo koa ireo mirotsaka amin’ ny sehatry ny fanodinana ny akora eto an-toerana ho lasa vokatra azo aondrana na amidy: Eo ny makamba, ny lamba, ny plasitika samihafa.Eo ny fanafaran’ izy ireo kojakojam-piarakodia isan-karazany any amin’ ny kaontinanta Aziatika any.Tsy ilay antsoina “Pièces d’origine” io fa ndeha lazaintsika hoe “ankoso-bolamena sy mamiratra jerena” araka ilay hira iray izay.Ireny dia varotany amin’ ny vidiny

  • moramora kokoa ary tsy dia mateza ny faharetany nohon’ ny kalitaony. Misy amin’izy ireo no mpamongady eo amin’ ny sehatry ny “Quincaillerie “, ny “Friperie”, ny “Elecromenager”,… Raha eto an-drenivohitra ianao no monina dia ampy itsirhanao ireo sehatr’asa voatanisa ireo ny fandehananao mitsangantsangana tapak’andro monja etsy Tsaralalàna sy ny vohitra manodidina azy iny. AVY AIZA KOSA NY LOHARANOM-BOLAN’IZY IREO? Eo aloha ny fifampindraman’ izy samy karàna ary manamora izany ny fifampitokisana amin’ ny alalan’ ny finoana ananan’ izy ireo izay tsy kristianina velively ny ankamaroany (Sunnite, Chiite, Hindou,..).Mamerim-bola izay efa nahavita nampiroborobo ny aferany ary dia roso manampy ny namany hafa indray avy eo.Eo koa ny vola avy any amin’ ny mpandraharaha “Indo-Pakistanais” any ivelany izay ahodin’izy ireo hitombo eto an-toerana.Isan’ ny maha-mpanefoefo azy ireo koa ny findramam-bola amin’ ny banky.Mahazo hatrany izy ireo satria manana antoka sy itokisan’ ny banky kokoa satria efa mañana ilay fanamboloana ny sehatra ahítan-tombotsoa haingana (Sens des affaires).Mahay manambitamby ny olona ilainy ny karàna.Manome fanomezana,manao asa soa ho an’ ireo mahantra ara-pivelomana ka misokatra ho azy ny varavarana mikatona eo anivon’ ny “Business” avo lenta.

    NY MAMPIAVAKA AZY Mampiavaka ny karàna ny tsy fitiavany loatra fanaovana rendrarendra samihafa.Ny ahítan-taratra ny tena harenany dia eny amin’ ny fiarakodia raitra entiny, ny loka asehony rehefa milalao kanetibe(Pétanque), ny fialan-tsasatra ataony rehefa amin’ ny fotoanany.Mahavariana ny fanatontosan’ izy ireo ny mariazy iray satria in-telo na in’efatra ampidirina any amin’ ny hotely lehibe telo na efatra samihafa vao mahafa-po azy.

    NY FOMBAFOMBAN’ NY SINOA Manana ny tetiny manokana koa ny sinoa.Ireo tranainy teto dia efa mifaka amintsika malagasy.Manambady ny tovovavintsika dia afaka mividy tany ary mampiasa ny volany amin’ ny fitateran-tsolika(Citerne),ny fanangonana sy fanondranana lavanila, jirofo,…Eo koa ireo mivarotra kojakoja ilain’ ny any ambanivolo rehetra any.Ireo sinoa tonga taty aorian’ ny fahavitan’ ny lapan’ ny fanatanjahan-tena sy kolon-tsaina (Palais des Sports),izay fanomezan’ ny fanjakana sinoa ny ampahany betsaka dia nitsofoka amin’ ny sehatry ny trano filokàna “Casino”, ny “Restaurant” sy “Hotel” ary ny fanofana Pavillon sy ny fivarotana ireo entana avy any Chine sy Thailande,izay matetika dia amin’ ny toerana iray voafaritra tsara toy ny “Chinatown”.Ny eto Antananarivo izao dia ny eny Behoririka no malaza.Eo koa ireo kelimaso milatsaka amin’ ny raharahambato.Mividy dia mivarotra izany mankany Bangkok.

    AVY AIZA KOSA NY ENTI-MANAN’ IZY IREO? Ireo tera-tany sinoa efa ela teto dia tsy miditra amin’ ny fifampindram-bola loatra fa ireo mpiray “hira” tonga taty aoriana no mifanohana ara-bola eo.Miaraka maka entana (Système de groupage) ary mifanaraka amin’ ny vidiny mba ho lafo haingana ahafahany manodina ny vola malaky ihany koa.Ny ho mailaka eo amin’ ny fandraharahana sahaniny no teny filamatr’izy ireo.Ny vola azo amin’ ireny trano filokàna ireny moa dia hanafarana entana hamidy eto ihany koa,toy ny fitaovam-pamokarana vita sinoa (Groupe éléctrogène,…).Ny isan’ ny mamparanitra azy ireo dia ny fananany banky manokana eto

    Madagasikara.Aterak’io dia moramorainy ho an’ ny sinoa ny mindram-bola ao ary ny vola dia miodina any amin’ ny misy azy any fa tsy tafahodina tanteraka eto amintsika akory.

    HAY OLONA BE REVY Mifanohitra amin’ ny karàna fa dia tena tia fialam-boly tokoa ny sinoa.Ankafizin’ ny kelimaso eto amintsika, indrindra ireo mpiray hira farany (Dernière génération) ny miloka any amin’ny Casino, ny miara-mivazo sy misakafo amin’ ireny Restaurant feno Karaoke ireny, ny mandihy any amin’ ny “Night club”, ny mamonjy “Salle de massage”.

    ARY NY VAZAHA MBA AHOANA? Vitsivitsy tamin’ ireo Eraopeana izay kilasiantsika vazaha no voanjo mpanam-bola tena tafajanona teto.Maro kosa anefa ireo vozongo no mahazo fisotron-dronono avy any aminy ka lasa manangana Bungalow, Hotel na Restaurant any amin’ ny morontsiraka mba hanintonana mpizaha-tany ka izay manambady gasy dia tonga mpanefoefo be. Ny vola fisotroan-drononon’ izy ireo mivadika vola gasy,izay ambany lanja dia efa ahafahany mamorona renivola sy mandeha lavitra.Ohatra, raha mahazo 2.000 Euros na 6 tapitrisa Ar eo ho eo isam-bolana ny vahiny “retraité” iray monina eto amintsika dia mahavita mampijoro Bungalow roa na telo isam-bolana,izay azo hampanofaina roa ka hatramin’ ny dimy alina ariary isan’andro.Misy koa ny menasofina no mirotsaka amin’ ny sehatry ny fividianana harena an-kibon’ny tany izay mampiasa ireo mpanelanelana teratany Malagasy satria mahazo fampindramana avy amin’ ny banky nohon’ ny antoka ananany sy noho izy ireo hentitra eo amin’ ny famerenam-bola.

    TIA FIAINANA SY MILALAO Ireo vazaha mpanam-bola eto Madagasikara dia tia mandihy any amin’ ny “Boite”, manenjika “Cabaret”, mamily “Kart” ary mikarenjy amin’ ny “Quad” .Mankafy ny “Soirée Privée”, tia milalao “Golf”, milatsaka anaty ranomasina (Plongée sous-marine ary tsy tara amin’ ny fihazàna koa.

    ARY ISIKA MALAGASY KOSA? Misy ihany ny malagasy no mpanefoefo saingy mihasaron’ ny vahiny izy ireo raha ampitahaina.Ny antsika moa izay mba nanao dingana kely teo amin’ ny fiainany toy ny hoe nahavidy fiara tsara tarehy sy nahatsangana villa mijoalajoala dia efa tondroin’ ny mpitazana sahady ho manankarena.Mbola tsy tafapoitra hatreto ary izay no irina raha mba hisy malagasy ho tonga tahaka an-dry Bill Gates, Warren Buffet na toy ilay Meksikana Carlos Slim Helu izay kilasian’ ny Forbes ankehitriny ho voalohany eran-tany amin’ny fananan-karena indrindra. Tsy fotoana ve izao ahafahantsika maka tahaka ny fomba fiasan’ireo vahiny nahomby teo amin’ ny fihariana satria tsy tokony hijanona ho nofinofy fotsiny ihany ny mba hampanjary ny tanorantsika ho Ratremalahy sy Ratremavavy. Samy nosoran’ ny reniny menaka izao hoy ilay fiteny ary rehefa teraka sy tonga teto ambonin’ ny tany dia samy nitovy avokoa tsy nisy fanavahana na vahiny na malagasy.Samy niboridana daholo fa tsy avy hatrany dia niakanjo sy nitafy tany an-kibon-dreniny.Nahoana tokoa àry?

    Naina RAKOTOMALALA 

       

  • Voici un ebook spécial qui vous est offert par LEADOBOOKS, un des nos partenaires à la promotion des livres numériques pour le Leadership et du développement personnel.

    "Rien ne sert de vouloir réinventer la roue, Il faut profiter de l'expérience des autres." Vous y découvrirez pas moins de sept stratégies détaillées, afin d'atteindre vos objectifs avec succès. Cet ebook vous servira de base, à tout ce que vous apprendrez par la suite. Ne passez donc surtout pas à côté ! "La réussite n'est pas le fruit du hasard, mais l'application de stratégies précises."

     

     

    LES SEPT STRATÉGIES DE LA RÉUSSITE

    Par David RAMBUT

     

    Pour le télécharger GRATUITEMENT, inscrivez tout simplement à la page web ci‐dessous : 

    http://wp.me/P2vn8d-9

    http://wp.me/P2vn8d-9http://www.leadobooks.tkhttp://www.leadobooks.tk

  •  

    EN SUIVANT GRATUITEMENT TOUS LES AVANTAGES POUR :

    Consulter les actualités sur le développement de la jeunesse de Madagascar Découvrir tous les articles bilingues sur le Leadership et l’esprit d’entreprise

    Bénéficier aux divers cours et des offres spéciales de formation Accéder aux supports et livres numériques à avoir dans votre bibliothèque

    Inscrire et recevoir les Bulletins périodiques Emettre vos idées et participer aux forums sur le succès personnel et professionnel Rejoindre l’Association en adhérant à tous les activités du

    RESPONSABLE DE LA PUBLICATION:

    CONTACT :

    033 03 030 82 [email protected]

    http://www.tamifamadagascar.tk 

    MENTIONS :

    - Ce bulletin n’est pas un document gratuit. Il vous a été offert en cadeau. Toutefois, vous pouvez l’offrir autant de fois que vous le désirez à condition de ne pas le vendre ou de modifier. Sa distribution est totalement libre.

    - Si vous souhaitez offrir ce bulletin à vos collègues ou amis et recevoir des cadeaux surprises, rendez-vous sur cette page  http://wp.me/P2vn8d-6g 

    - Ce bulletin fait partie des offres que vous pouvez vous procurer sur notre site. En vous y inscrivant gratuitement, vous pourrez télécharger d’autres documents pratiques et de nombreux autres supports (Ebooks, Poadcasts, Outils,…) consacrés à la promotion de la jeunesse de Madagascar.

    - Le lien d’abonnement de ses prochains numéros:

    http: //snipurl.com/246rt8n 

     

    http://www.facebook.com/groups/tamifamadagascarhttp://www.tamifamadagascar.tkhttp: //snipurl.com/246rt8nhttp://wp.me/P2vn8d-6ghttp://www.tamifamadagascar.tk

    Bulletin RANITRA N°13 Tambatra

    /ColorImageDict > /JPEG2000ColorACSImageDict > /JPEG2000ColorImageDict > /AntiAliasGrayImages false /DownsampleGrayImages true /GrayImageDownsampleType /Bicubic /GrayImageResolution 300 /GrayImageDepth -1 /GrayImageDownsampleThreshold 1.50000 /EncodeGrayImages true /GrayImageFilter /DCTEncode /AutoFilterGrayImages true /GrayImageAutoFilterStrategy /JPEG /GrayACSImageDict > /GrayImageDict > /JPEG2000GrayACSImageDict > /JPEG2000GrayImageDict > /AntiAliasMonoImages false /DownsampleMonoImages true /MonoImageDownsampleType /Bicubic /MonoImageResolution 1200 /MonoImageDepth -1 /MonoImageDownsampleThreshold 1.50000 /EncodeMonoImages true /MonoImageFilter /CCITTFaxEncode /MonoImageDict > /AllowPSXObjects false /PDFX1aCheck false /PDFX3Check false /PDFXCompliantPDFOnly false /PDFXNoTrimBoxError true /PDFXTrimBoxToMediaBoxOffset [ 0.00000 0.00000 0.00000 0.00000 ] /PDFXSetBleedBoxToMediaBox true /PDFXBleedBoxToTrimBoxOffset [ 0.00000 0.00000 0.00000 0.00000 ] /PDFXOutputIntentProfile () /PDFXOutputCondition () /PDFXRegistryName (http://www.color.org) /PDFXTrapped /Unknown

    /Description >>> setdistillerparams> setpagedevice