56
Sandrify ara-pedagôjia « ‘Ndao isika hiara-hihira miaraka amin’ny O ! O »

Sandrify ara-pedagôjia " 'Ndao isika hiara-hihira miaraka amin'ny O!O "

Embed Size (px)

DESCRIPTION

UNICEF Madagascar Cahier de Chant O!O

Citation preview

Sandrify ara-pedagôjia « ‘Ndao isika hiara-hihira miaraka amin’ny O ! O »

Sandrify ara-pedagôjia « ‘Ndao isika hiara-hihira miaraka amin’ny O ! O »

Fanoritsoritana ankapobeny

Inona moa ny sandrify ara-pedagôjia? . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 3

Ny vontoatin’ny sandrify ara-pedagôjia . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 4

A. Takelaka tekinika fanampiny amin’ny fitrandrahana ny fandaharana O ! O . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 6

i - Dingana arahina amin’ny fanatanterahana ny lesona iray . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 6

ii - Fitrandrahana ny fizarazarana ao amin’ny fandaharana O ! O iray . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 6

B. Takelaka “Mandranto fahalalana an-kira” . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 8

D. Torolalana mikasika ny fomba fitrandrahana ny hira . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 9

i - Fanomanana mialoha ny fihainoana sy fihirana . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 10

ii - Mandritra ny fihainoana sy fihirana . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 10

iii - Aorian’ny fihainoana . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 11

E. Ny karazana toetran’ny mpianatra mety ho hita mandritra ny fotoana ampianarana . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 12

F. Takelaka “Sahanasa hafa” . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 14

G. Raki-kira mahakasika ny famakianteny sy fanoratana ary fikajiana ao amin’ny fandaharana O ! O . . . . . . . . . 19

H. Raki-kira mahakasika ny fahaiza-miaina ao amin’ny fandaharana O ! O . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 29

I. Raki-kiran’ireo sakaizan’i O ! O . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 41

Tovana : Fifandraisana misy ao amin’ny vontoatin’ny fandaharana O ! O sy ny vontoatin’ny fandaharam-pianarana vaovao . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 48

Tovana: Takelaka fanomana ny fanatontosana ny sahanasa . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 49

Lohateny :

Sandrify ara-pedagôjia « ‘Ndao isika hiara-hihira miaraka amin’ny O ! O »

Ireo iantefany :

Mpampianatra ao amin’ny CP, Mpampiofana ara-pedagôjia, Fikambanana miandraikitra ankizy, radiô, sns.

Fanolorana ny sandrify ara-pedagôjia

Ao anatin’ny sehatry ny Fanabeazana ampitain-davitra sady hanampiana ny mpampianatra amin’ny fanatontosany ireo sahanasa miendri-dalao hoenti-manabe, ny Ministeran’ny Fanabezam-pirenena (MEN) sy ny UNICEF dia manolotra ny sandrify ara-pedagôjia izay tahirina fitaovana azo henoina enti-mameno ny kahie sahanasa .

Ny sandrify ara-pedagôjia, « Ndao hiara-hihira miaraka amin’ny O ! O » izay mameno ny fandaharana O ! O dia raki-kevitra mikasika ny fanabeazana miendri-dalao amin’ny alalan’ny hira. Fitaovana enti-manabe tsotra sy mora ary feno hetsika, mitaiza ny fitadidiana sy ny fitiava-mamorona ao amin’ireo ankizy 5 ka hatramin’ny 9 taona efa any an-tsekoly na tsia, izy ity.

Ireo hira ao anaty sandrify ara-pedagôjia dia tsy hira fe hira fotsiny fa mirakitra vontoatim-panabeazana ahafahana mampivoatra sy manamafy orina ny fahaiza-manao sy ny hairahan’ny zaza. Natao koa izy io hanampy azy ireo hanabe voho ny voambolany ka hanatsara ny fari-pahalalany ara-pitenenana.

Ny fandaharana O ! O dia manao ho vaindohan-draharaha ny hahafandaharana miendri-dalalao azy ao amin’ny radiô, ka hahatonga ny ankizy ho finaritra sy ho faly noho ireo hira sy tantara ary angano ao aminy : « Sady milalao isika no mianatra ».

Ny fitrandrahana ireo tantara dia atao araka izay voarakitra ao anatin’ny torolalana ho an’ny mpampianatra, izay manolotra ireo sahanasa azo tanterahina mifanandrify amin’ireo fizarazarana telo ao amin’ny fandaharana O ! O tsirairay avy :

- Famakianteny sy fanoratana ary fikajiana,

- Fifandraisana am-bava,

- Fahaiza-miaina (hairaha enti-miatrika ny fiainana).

Ny fitrandrahana ny hira kosa dia ny sandrify ara-pedagôjia no mirakitra ny fitaovana azon’ny mpampianatra ampiasaina hanatanterahana izany any an-dakilasy.

Ireo fitaovana enti-manabe ireo dia ho hita any amin’ny Centre de Ressources Pédagogiques (CRP) sy ny Fari-piadidiam-pampianarana (CISCO) ary ny Centre Régionale de l’Institut de National de la Formation Pédagogique (CRINFP).

Ny sandrify ara-pedagôjia dia tari-dalana ihany fa tsy mametra ny mpampianatra hanatevina sy hampifanaraka izay ataony amin’ny fari-pahalalan’ny mpianany sy ny zava-misy isam-paritra tsirairay.

Inona moa ny sandrify ara-pedagôjia?

3

A - Takelaka tekinika fanampiny amin’ny fitrandrahana ny fandaharana O ! O

Ity takelaka ity dia natao hameno izay voalaza ao amin’ny torolalana fitrandrahana ny fandaharana O ! O. Ohatra mivantana no noraisina hanehoana ny fomba fitrandrahana ny fandaharana O ! O amin’ny alalan’ireo taranja samihafa hita ao amin’ny fandaharam-potoanan’ny kilasy. Tsy môdely no omena eto fa tari-dalana ihany.

B - Takelaka “Mandranto fahalalana an-kira”

Ny fandrantovam-pahalalana avy amin’ny alalan’ny hira dia fomba iray enti-manabe amin’ny endrika lalao, sy enti-mampianatra zavatra maro ny ankizy.

D - Torolalana mikasika “Ny fomba fitrandrahana ny hira”

Ity takelaka ity dia manolotra ireo karazana asa azo tanterahina manodidina ny hira :

Inona no atao mialoha, mandritra ary aorian’ny fihainoana ny hira iray ?

Misy ihany koa sahanasa azo tanterahina atolotra ny mpampianatra amin’ny fanatontosany ny fandaharam-pianarany. Sady azo saratsarahina ireo hira ireo no azo arindra hifanaraka amin’ireo taranja samihafa ampianarina ao an-dakilasy. Mety ho an’ny dingam-pampianarana rehetra: CP no ho miakatra ary voasokajy araka izay lohahevitra heverina fa ilaina na koa hahaliana ny ankizy: ny matematika, ny litera, ny teny, ny isa, ny fianakaviana, ny sekoly, ny fikoloana ny vatana, ny namana, sns.

E - Ny karazana toetran’ny mpianatra mety ho hita mandritry ny fotoana am-pianarana

Ireto misy ohatra na karazana toetran’ny mpianatra mety ho hita manditry ny fotoana ampianarana sy ohatra vitsivitsy tokony hataon’ny mpampianatra manoloana izany toetra izany.

F - Takelaka “Sahanasa hafa”

Ity takelaka ity dia manolotra soso-kevitra maro hoenti-mitrandraka malalaka ny hira. Ahitana ohatra maro ao : toy ny fomba fanamboarana zava-maneno tsotra azon’ny ankizy atao, sns. Ary marihina fa azon’ny mpampianatra atao ny mameno ny sandrify ara-pedagôjia amin’izay zavatra hitany an-toerana.

G - Raki-kira 0!0 (1) : Hira ho an’ny famakianteny sy fanoratana ary fikajiana

Raki-kira anombohana mianatra ny abidy sy ireo voambolana fototra, ny tarehimarika hahaizana manisa sy ny ventin-drefy ary ny lantom-peo amin’ny alalan’ireo tanisa an-kira sy hira.

H - Raki-kira 0!0 (2) : Hira ho an’ny fahaiza-miaina (Hairaha ho enti-miatrika ny fiainana)

Raki-kira mahakasika ny fahaiza-miaina sy fitaizana ho isam-bahoaka notsoahina avy amin’ireo lohahevitra trandrahina ao amin’ny fandaharana O ! O. Ireo hira ireo dia mirakitra hafatra hitondra fiovan-toetra ao amin’ny zaza. Manampy ho amin’ny fanovan-toetra ireo hira ireo ka hahatonga ny zaza hanana ny maha izy azy sy hiaina amin’ny fomba mirindra na ao an-tsekoly na any amin’ny fiarahamonina. Manana lohahevitra ifantohana ny fandaharana tsirairay, toy izany koa ny hira isanisany.

Ny vontoatin’ny sandrify ara-pedagôjia

4

I - Raki-kira 0!0 (3) : Sakaizan’i 0 ! 0, hira sy tanisa an-kira

Ity kapila ity dia mirakitra hira efa hain’ny be sy ny maro ary novelomin’ny mpianatra avy amin’ny sekoly samihafa manerana an’i Madagasikara. Lohahevitra maro mahakasika ny famakianteny, fanoratana sy fikajiana ary ny fahaiza-miaina no voiziny : ny teny, ny loko, ny isa, ny voaary, ny vatana, sns.

J - Tononkira sy tanisa an-kira

Ny tonon’ny hira sy tanisa an-kira rehetra dia ho hita ao amin’ny faran’ity sandrify ara-pedagôjia ity. Azon’ny mpampianatra atao tsara ny manampy izany amin’ny alalan’ireo efa fampiasany andavanandro mba ho fanatevenana azy.

TOVANA

Ato no ahitana ny fifandraisana misy ao amin’ny vontoatin’ny fandaharana O ! O sy ny vontoatin’ny fandaharam-pianarana vaovao.

5

I - Dingana arahina amin’ny fanatanterahana ny lesona iray

Fantarina mialoha ny lohatenin’ny lesona atao araka ny voarakitra ao amin’ny fitsinjaran’asan’ny kilasy.

Jerena ny torolalana fitrandrahana ny fandaharana O ! O : fafana misy ireo lohahevitra rehetra trandrahina ao amin’ny fandaharana

Tadiavina ny ventin’asa mifanaraka amin’ny lesona tiana hatao ho fitaovana iaingana hitondrana ny lesona.

Ohatra :

- Lohatenin’ny lesona atao : Vakiteny, (HF2) ny litera « H » (CP1)

- Ao amin’ny fafana : Fandaharana faha-8 = ventin’asa faha-8- Ventin’asa 8 : Famakianteny sy fanoratana ary fikajiana- Tanisa an-kira : « Lava hoho i Babakoto » – zahao any

amin’ny fizarana fahatelo ao amin’ny torolalana ny tonon’ny tanisa an-kira, ianarana mialoha ny lesona mba ho lasa fitaovana iaingana.

Dia toy izany hatrany no atao isaky ny lesona vaovao na taranja tiana hotanterahina.

II - Fitrandrahana ny fizarazarana ao amin’ny fandaharana O ! O iray

Ny ankamantatra, ny sehosehatra an’ohatra, ny angano, ny hira, ny tanisa an-kira, ary ny resadresaka ao amin’ny fandaharana O ! O iray, dia azo ampiasaina isaky ny fizarazarana :

Fizarana 1º : FAMAKIANTENY SY FANORATANA ARY FIKAJIANA

- Malagasy : - Vakiteny (HF2) - Dikasoratra (HF3)

- Matematika : - HF1 (Rafitrisa) - HF2 (Rafitsary) - HF3 (Rafidrefy)

Fizarana faha-2 : FIFANDRAISANA AM-BAVA

Malagasy : - Fanazarana hiteny (HF1) Français : - Français oral (CB1)

Fizarana faha-3 : FAHAIZA-MIAINA

- FFMOM - Sahanasa na Fanazarana hampiasa tànana

IREO HIRA SY TANISA AN-KIRA ARY TONONKALO

- Tsianjery - Hira, dihy sy Mozika - Sary - Fanabeazana ara-batana

Takelaka tekinika fanampiny amin’ny fitrandrahana ny fandaharana O ! O

6

Tsara homarihina fa :

Azo atao tsara ny mampiasa ny torolalana na naheno na tsia ny fandaharana ny mpianatra.

Fomba roa no mety azo ampiasana ny sahanasa voatondro ao amin’ny torolalana :

a) fitaovana iaingana ampitana lesona vaovao

b) fitaovana ampiasaina ho fanamafisana izay fahaizana amam-pahalalana norantovina tany amin’ny lesona iray na maromaro (raha lesona efa vita).

Raha tsy hain’ny mpampianatra ny feon’ny hira iray dia azony atao tsara ny mamorona ngadona na feo hafa amin’izay itiavany azy ary heveriny fa mety hahasarika sy hahaliana ny ankizy.

Maharitra 15 mn ny fandaharana ampitaina ao amin’ny radiô, noho izany heverina fa mbola hisy ambim-potoana kely ahafahana manomana na manomboka sahanasa avy hatrany izany.

Ohatra :

TalataFandaharam-potoanan’ny kilasy : Matematika 9 ora 05 - 9 ora 25 mn (20’) Asa atao : - 9 ora 05 – 9 ora 20 : Fihainoana ny fandaharana ao amin’ny radiô - 9 ora 20 - 9 ora 25 : Fanehoana ny lalao hatao amin’ny seho

Matématika manaraka, voatondron’ny kahie sahanasa.

Tsara raha arindra mba hiovaova ny taranja eo amin’ny fotoana natokana hihainoana ny Fandaharana.

Tsy voatery ho vita ao anatin’ny seho iray ny sahanasa iray fa mety ho seho maromaro misahana taranja samy hafa fa miankina amin’ny fahafahan’ny mpampianatra sy ny fandaharam-potoanany ao an-dakilasy.

Ny sahanasa dia azo atao mandritry ny fakan-drivotra fa tsy voatery ao anaty efitrano.

Tsy natao ho trandrahina indray mandeha ny fizarazarana telo ao amin’ny fandaharana iray fa tapatapahina araka izay heverina fa mifanaraka amin’ny taranja ampianarina na ny fari-pahalalan’ny ankizy ao an-dakilasy (CP1 na CP2).

7

Ny hira dia fanehoana hevitra na fientanam-po sy izay rehetra mety ho endrika isehoan’ny fiainana andavanandro, na izay mitranga any an-tsekoly na any amin’ny fianakaviana, na any an-tanàna na any amin’ny tanàn-dehibe. Mety ho fitaovana iray ahafahana mivelatra ihany koa izy.

Ireo hira ao anaty rakitra dia ahafahana mandalina ireo lohahevitra voizina any amin’ny fandaharana (fianakaviana, zon’ny zaza, fitiavan-tanindrazana, ny raharaha an-tokantrano,…), manamafy orina ihany koa ny fahaizana mamakiteny, manoratra sy manisa (litera sy isa,…) ary ny fahaiza-manaon’ny zaza eo amin’ny lafiny :

� ara-panononana sy fientanam-po : eo am- panononana ny tononkira sy tanisankira ao anatin’ny ngadona ;

� ara-pifantohan-tsaina : eo am-pihainoana sy eo am-pitadidiana ireo rafi-pehezanteny sy voambolana samihafa ;

� fanehoan-kevitra sy fitiavana mikarokaroka : eo am-pikarohana ny lohahevitra na ny teny iray ;

� fahaiza-mampifandrindra : eo am-pamadihana ireo tononkira ho amin’ny fiteny ibeazany, na eo amin’ny fampiasa ireo zava-maneno misy eo an-toerana araka izay ilana azy, na koa eo am- pamadihana ny hira ho lasa sehosehatra, sns.

Na manao ahoana na manao ahoana, ny hira dia natao :

� hohiraina ;

� hahafinaritra ;

� hialana voly

� hitaiza ny fahaiza-mihaino sy manonona ary miara-miaina amin’ny hafa

� handrantovam-pahalalana

Atao izay fomba rehetra mety hahatonga ny ankizy ho tia mianatra amin’ny alalan’ny hira.

Atao vaindohan-draharaha ny mihira ary kendrena ny hiheveran’ny ankizy azy ho toy ny fialam-boly fa tsy asa atao. Ny fitrandrahana ny hira dia fanampiny ihany.

Manana ny toerany manokana eo amin’ny fampianarana ny hira ka tsy tokony hosimbana na oviana na oviana ny fitiavan’ny zaza ny hira amin’ny fiheverana azy ho toy ny lesona hafa rehetra, fa tsy fotoana iray hialana voly sy hialana sasatra.

Takelaka “Mandranto fahalalana an-kira”

8

Mazava ho azy fa ity fomba fitrandrahana atolotra eto ity dia tsy tonga lafatra akory na môdely fa azo arindra tsara hifanaraka amin’ny fari-pahalalan’ny mpianatra iandraiketana.

Ireo sahanasa atolotra dia ahafahana :

� Mampivelatra ny fahaiza-mihaino sy ny fifantohan-tsaina : fahafantarana izay nianarana tao an-dakilasy. Ohatra : Ny isa na ny litera, ny lohahevitry ny fahaiza-miaina, ny teny, ny feo, ny ngadona, sns.;

� Mampivelatra ny fahaiza-manonona sy manaka-kevitra;

� Manefy ny ankizy hahafehy ny malagasy ôfisialy amin’ny alalan’ny sehatra sy sy seho ao anatin’ny hira ary hifanerasera ihany koa amin’ny teny frantsay;

� Mitarika azy ireo hahatsapa ny fahasamihafana ara-kolontsaina misy eto Madagasikara ary koa hisokafany amin’ny any ivelany.

Tsara raha manomana takelaka toy ity manaraka ity ny mpampianatra mialoha ny fanatotosany ny sahanasa :

Torolalana mikasika ny fomba fitrandrahana ny hira

Lohahevitra : Ny litera NTM na Ny zon’ny zaza na Ny adihevitra

Lohatenin’ny hira : NTM na Zoko ny mianatra, Manana kopia, sns. na Miady Hevitra

Sehatra ianarana : Famakianteny sy fanoratana na Fahaiza-miaina na Fifandraisana am-bava

Tanjona : Zaza mahafantatra :- ny feo NTM na koa manamafy orina ny fahaizany mampiasa (mamaky na manoratra) ny iray amin’ireo feo ireo na izy rehetra mihitsy ( raha toa ka Famakianteny sy fanoratana)

Na

- ny zony sy mampiaty ny fahalalana fototra mifandraika amin’izany (raha toa ka Fahaiza-miaina)

Na

- ny fomba fifandraisana sy fiadiana hevitra amin’ny namana na ny hafa (raha toa ka Fifandraisana am-bava).

Faharetany, toerana, fotoana : Apetraka eto ny vinavinam-paharetana mety hanatanterahana ny sahanasa, sy ny toerana (ao an-dakilasy na eny ivelany na any an-trano na toeran-kafa) ary ny fotoana itrandrahana ny tononkira (ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny kilasy na fotoana hafa) Fitaovana ilaina : Tanisaina eto ireo fitaovana rehetra tokony homanina mialoha (zavamaneno na fitaovana hafa)Dingana sy fitrandrahana : Soritsoritina eto avokoa ireo dingana samihafa ho fitrandrahana ny asa : fomba sy tetika fampianarana ny hiraFanamarihana : Tsara raha asiana faritra manokana hanaovana fanamarihana ny takelaka hanoratana izay rehetra mety ho tsapa fa nisongadina teo am-panatanterahana ny sahanasa : ara-potoana, fihetsem-pon’ny ankizy, sns.

9

i. Fanomanana mialoha ny fihainoana sy fihirana

Ny tanjon’ity dingana ity dia ho fanomanana ny fihainoana, sy fanairana ny fifantohan-tsaina ary ny fahalianan’ny ankizy. Tsy voatery hatao avokoa izay voalaza eto fa anjaran’ny mpampianatra ny mifantina izay heveriny fa tena manan-danja amin’ny fanatontosana ny fitrandrahana ny hira na ny vontoatin-desona hianarana:

� Fanoratana mialoha eny amin’ny solaitrabe ny tononkira (CP2 miakatra);

� Fifanankalozan-kevitra mikasika ny lohahevitra na ny lohatenin’ny hira;

� Fikarohana teny fantatry ny ankizy mahakasika ny lohateny iray;

� Filazalazana izay hita amina sary mifandraika amin’ny lohahevitra voizin’ny hira;

� Fanolorana ny lohatenin’ny hira sy fanontaniana izay andrasan’ny ankizy momba izany.

� Fanolorana fehezanteny na fametrahana fanontaniana iray izay hitarika ny ankizy hiady hevitra ka hahafahan’izy ireo maneho ny heviny, ny fihetsem-pony sy izay mety ho traikefany manokana mikasika ny lohahevitra;

� Fihainoana ny kapila misy ny hira;

� Fianara-misefo, manonona feo, vaninteny, teny, lantom-peo, sns. Sarihana ny sain’ny ankizy hifantoka sy hihaino tsara ary hamerina izany alohan’ny hihiran’ny mpampianatra na ny mpitarika manontolo ny hira.

ii . Mandritra ny fihainoana sy fihirana

Araka ny voalaza etsy aloha dia ny mihira no tena tokony ho laharam-pahamehana mba hahatonga ny ankizy hihevitra fa fialam-boly io fa tsy asa atao. Ny fandrenesana ny hira no hitarika amina asa.

Ampianarina ny ankizy ny hira.

Asaina (azo isafidianana ireto):

� manao fihetsehana (mandritra ny fihainoana sy ny hira voalohany) ;

� fantariny izay faritra sarotra mitaky fanazavana na famerenana manokana;

� tsimponiny ireo voambolana sarotra ;

� avahany ireo zava-maneno ;

� fantariny ary soratany eo amin’ny solaitrany izay abidy na tarehimarika ren’ny sofiny, raha hira mahakasika izany ilay hira ;

� fantariny ireo singa samihafa : teny fototra (Ohatra ny teny na isa efa nianarana tao an-dakilasy na mbola hodinihina any aoriana), teny mifandraika amin’ny lohahevitry ny hira ;

� fantariny sy avahany ny karazam-peo ao, ny zava-maneno nampiasaina, ny ngadona,…sns. (Azo atao, ohatra, ny manome lisitra teny maromaro ny mpianatra. Ho marihiny (X) izay mifanandrify amin’ireo singa voalaza ireo);

� tsimponiny ny teny henony mifandraika amina lohahehitra iray na amin’ny lisitra teny maromaro omena azy;

� fenoiny ny teny banga amin’ny tononkira nosoratana mialoha teo amin’ny solaitrabe na nampianarina azy;

� sns. Fantarina izay heverina fa nanan-danja tamin’ny ankizy

na izay tokony ho raiketiny an-tsoratra.Sns.

10

iii. Aorian’ny fihainoana

Mandritra ity dingana no itakiana ny mpianatra hilaza ny heviny manokana mikasika izay voalazan’ny hira na ny lohahevitra notrandrahina : afaka mamorona izy, na koa tarihina hanitatra ny fomba fijeriny.

Azo atao tsara ny mametraka ireo karazam-panontaniana mahazatra toy ny hoe : Iza ? Taiza ? Oviana ? Ahoana ? Nahoana ?...

� Anontaniana izay resahin’ny hira : Famakianteny sy fanoratana ary fikajiana sa Fanabeazana ho isam-bahoaka?

� Inona no tantarain’ny hira ?

� Lazalazao ny fizotran’ny tononkira

� Valiana ny fanontaniana apetraky ny mpianatra

� Anontaniana ny mpianatra izay azony na tsia, izay tiany na halany, sns.

� Anontaniana ny fahazoany ny fomba fiteny sasantsasany.

� Manatanteraka sahanasa mitaky fitiliana manokana, fanasokajiana, fikarohan-kevi-baovao voafaritra tsara.

Ohatra : Fitadiavana teny ao amin’ny lahatsoratra mifandray amin’ny lohahevitra na ny taranja ifantohana ; ho an’ny Fifandraisana am-bava na ny Fahaiza-miaina, fantarina izay hafatra ampitaina ao, ny fomba fisainana na hevitra voalaza, na ny toetra tokony halain-tahaka.

� Mandamina ny isan’andininy nakorontana na notapatapahina na nafangaro. Mety hanana andininy samy hafa ny tarika tsirairay, ohatra, hohirainy izany rehefa tonga eo amin’io faritra io ny hira

Mety azo atao koa ny :

� Mampifandray ny vontoatin-kira amin’izay efa niainana manokana : tarihina ny ankizy hampifandray izay ianarany ao an-tsekoly sy izay iainany any an-trano, hilaza izay fomba fijeriny sy izay tsapany, na izay fihetsem-pony ;

� Mitady izay mety ho lohatenin’ny hira raha toa ka tsy nomena mialoha izany ;

� Miady hevitra manodidina ny lohahevitra hita ao amin’ny hira;

� Mikaroka hira na tanisa an-kira hafa mitovy lohahevitra sy mampitaha izany ;

� Mba ho lasa lavidavitra kokoa, dia azon’ny ankizy atao ny :

> mamorona hira kely ka raisina ho ohatra amin’izany ireo hira momba ny isa sy ny abidy ;

> mamorona tononkalo fohy miainga avy amin’ireo teny fototra hita tao amin’ny tononkira ;

> mitondra lahatsoratra fohy nosoratany na nangoniny tetsy sy teroa ary andramany asiana feony mba horedonina miaraka amin’ireo zava-maneno izay izy ihany no nanamboatra azy na tsia.

Ampirisiho ny zaza ho tia karokaroka ary ampio hamoron-kira samirery ho azy.

11

Ny karazana toetran’ny mpianatra mety ho hita mandritra ny fotoana am-pianarana

NY MPANDAMINA :

Ny toetrany :

� liana � mihaino ny hafa � eken’ny fiaraha-monina � mahatsiaro tena ho tompon’andraikitra

Ny fihetsika tokony hataon’ny mpampianatra :

� mamela ilay mpandamina haneho ny heviny � mivantana aminy matetika � mampandray anjara amin’ny adihevitra

ILAY BE TSY MITENY : Ny toetrany :

� matahotra ny hovoakiana � tsy mahazo aina sy tsy maharaka ny fanazavana � mahatsiaro tena ho voatery mandray anjara � tsy mahaliana azy ny lohahevitra � saro-kenatra

Ny fihetsika tokony hataon’ny mpampianatra :

� miezaka mamantatra azy sy maka ny fony � mametraka ao an-tsaina fa ny adihevitra dia mahasoa

ny rehetra � avela hiteny izy fa tsy hihomehezana � mamintina matetika � manome aina ny adihevitra � mametraka fanontaniana tsotra, mamaly ny

fanontaniana eny sa tsia

ILAY MPITRIFANA :

Ny toetrany

� manana olana manokana � mahatsapa ny tena ho ambony � miseho ho hafa indrindra ao anatin’ilay vondrona � te hisongadina

Ny fihetsika tokony hataon’ny mpampianatra :

� manontany ny hevitry ny hafa manoloana ny heviny : amin’ny ankapobeny dia tsy manaiky ny rehetra

� mampirisika ny mpandray anjara haneho hevitra am-panajana

� manana faharetana ary mitondra ny adihevitra tsy hivaona amin’ny lohahevitra

� raha ilaina dia any ivela’ny fiofanana izy no resahina mba hahafantarana ny fihetsiny

� omena andraikitra mazava izy indraindray ao anatina sehatra mba hanehoany fihetsika mendrika

12

NY MPIDONGY SEHATRA :

Ny toetrany : � mafana fo sady miseho hoilaina � miseho ho manana fahalalana mihoatra noho ny hafa � miteny zavatra tsy misy ifandraisany amin’ny loha-

hevitra � miseho ho mahay ny valiny rehetra � mihevi-tena ho lehibe � te hisongadina hatrany � tsy miraharaha ilay mpampianatra

Ny fihetsika tokony hataon’ny mpampianatra :

� mametraka eny am-piandohana ny fahafahan’ny tsirairay miteny

� mamerina ny voalaza ary manontany ny hevitry ny mpandray anjara mikasika izany

� mangataka azy hamintina izay tiany holazaina � manontany ny hevitry ny hafa mahakasika ilay loha-

hevitra

NY VERIVERY SAINA :

Ny toetrany � tsy mahazo tsara ny fototry ny adihevitra � difotra ao anatin’ny olany manokana � te hiresaka ny momba azy fa tsy mifantoka amin’ny

lohahevitra Ny fihetsika tokony hataon’ny mpampianatra :

� tokony hazava araka izay tratra ny lohahevitra hitondrany ny adihevitra ary mahazo ny fankatoavan’ny vondrona

� miezaka mampifandray izay voalaza ao amin’ny adihevitra ary manontany ny hevitra hafa mahakasika ny lohahevitra

� manontany ny hevitry ny hafa, ny fifandraisan’ny lohahevitra amin’ny zavatra nolazainy

� manana faharetana ary mitondra ny adihevitra tsy hivaona amin’ny lohahevitra

� mampisafidy ny hafa ny lalana tian-kizorana

RABEVAZIVAZY

Ny toetrany :

� tia mampihomehy � te ho jerena sy hohenoina � tsy miraharaha ilay mpampianatra, mananihany azy � tsy liana amin’ny resaka atao � te hisongadina � matotra loatra ho azy ilay fanentanana

Ny fihetsika tokony hataon’ny mpampianatra :

� miezaka manakaiky sy mampandray anjara azy hanala hamohamo ny rehetra

� ampahatsiahivina azy ny tanjon’ny fihaonana ary entanina ny rehetra hifantoka amin’izany

� anontaniana azy izay tiany holazaina � anontaniana azy ny heviny mikasika ny lohahevitra � mibanjina azy mivantana mandritra ny fotoana

iresahana, ny ankizy be vazivazy mantsy dia tsy mahasahy manapaka resak’olona izay mandinika azy

13

Ny fanamboaran’ny ankizy zava-maneno ho azy dia mampivelatra ny sainy ho tia mamorona, sy ho tia karokaroka. Mitaiza ihany koa ny sofiny eo amin’ny lafiny ara-mozika, miasa anaty tarika sns. Tsy maintsy ho hainy ny mampiasa ny haitaony hanorenany ny sangan’asany, noho izany tsy vitan’ny hoe manamafy orina ny hakingan’ny sofiny ara-mozika fotsiny io fa manorina ihany koa ny fahafehezany ny taranja hafa (Ohatra, amin’ny matematika : fahafehezana ny erana)

Fanehoana

Isan-tarika na tsirairay, asaina haingoin’ny ankizy sary na peta-tsary ireo tononkira araka izay fahazoany azy.

Ampiasaina amin’ny lesona atao na mandritra ny fetin-tsekoly samihafa ireo hira :

� Mihira sy mandihy amin’ireo hira. � Mamorona soradihy. � Mamelona sy milalao an-tsehatra ny hira.

Ny fahafehezana ny hira dia azo tarafina amin’ny alalan’ny famoronana sehosehatra niainga avy aminy.

Toy ny mahazatra dia tsara raha zarina mamakiteny malagasy ôfisialy ny ankizy ho fanazarana azy sy hahazoany izay lazainy.

Miady hevitra

Isaky ny lohahevitra tsirairay dia azon’ny mpianatra atao ny miady hevitra mikasika izany isan-tarika sy mandravona izany eo anatrehan’ny be sy ny maro na koa milazalaza izay tiany na ny tsy tiany sy ny anton’izany.

Azony atao koa ny mitsangan-ko vavolombelona milazalaza izay efa niainany na efa hitany mikasika ny lohahevitra.

Manamboatra zava-maneno

Azo atao tsara ny mamorona zava-maneno avy amin’ny alalan’ny akora faran’izay tsotra, voajanahary, na fitaovana tsy ampiasaina intsony hita eny rehetra eny.

Asaina manangona fitaovana mety afaka hamoaka karazam-peo ny ankizy. Ohatra : fitaovana tsy ampiasaina intsony (boaty vifotsy, tavoahangy, baoritra…) zavamaniry (volotsangana, tahom-bary, voan-tsaramaso,…)

Atao mandritra ny lalao izany. Ny fikarohana sy ny fanakambanana ireo fitaovana nangonina dia azo atao isan-tarika na samirery.

Takelaka “Sahanasa hafa”

14

Ireto misy ohatra vitsivitsy azo tanterahina tsara :

Hazon’orana Korintsana Amponga

Asiana fasika na voa-madinika maromaro anaty vanina volobe iray na fantsona plasitika

Atao ao anaty boaty vifotsy ny vatokely maromaro

Rakofana tsikeladrano mihenjana tsara ny vavan’ny kapoaka ilany. Azo velesina amin’ny hazo kely izany ho lasa amponga. Arakaraka ny maha lehibe ny kapoaka no mampigobona hatrany ny feo azo

Ohatra ihany ireo fa azo ovaovana araka ny zava-misy isam-paritra ny akora ampiasaina. Mety hahazo karazana zava-maneno samihafa amin’izany, arakaraka ny karazana akora izay samy manana ny maha izy azy tsirairay avy.

15

(1) Raki-kira mahakasika ny famakianteny sy fanoratana ary fikajiana

Titre Page Texte, interprète Thème

‘Zahay am’dimy d’efa mifoha (accapella) 19 Texte : Association Kolo, Interprète : Famille Razatovo Chiffre / heure / les nombres importants ‘Zahay am’dimy d’efa mifoha (remix) 19 Texte : Association Kolo, interprète : Famille Razatovo Chiffre / heure / les nombres importantsFola paratan’ i bemarivo 19 Texte : Association Kolo, Interprètes : association Kolo, Famille Razatovo Chiffre, nombre dixOmbivavy be ronono 19 Texte et Interprète : Association Kolo, Musique : Hervé Demon Chiffre, nombre 4, 5 ,6 / les animaux1 Fiomanana – 2 Maka bahana 3 Dia Lasa 20 Texte et Interprète : Association Kolo Chiffre, nombre 1, 2 ,3 / apprendre en faisantTanisa : isao ny ganagana 20 Texte : Association Kolo, Interprète : Famille Razatovo Mathématiques, jouer avec les nombresReto Rery 20 Texte et Interprète : Association Kolo Mathématiques / les Collections (garçons /filles / égaux / différents)Famantaranandro 21 Texte et Interprète : Association Kolo Mathématiques / apprendre l’heure / les chiffresNy rantsan-tanako 21 Texte : Association Kolo, Interprète : Famille Razatovo Chiffre / apprendre à compter avec les doigts de la mainPotipoteho ny paiso sy paoma 21 Texte : Association Kolo, Interprète : Famille Razatovo Lettre P / les fruitsabidy 21 Texte : Association Kolo, Interprète : Famille Razatovo Lettre / alphabetBoribory misy rambony (remix) 22 Texte : Association Kolo, Interprète : Famille Razatovo Lettre O I A « t n m » 22 Texte et Interprète : Association Kolo Lettre T N M« v e y » 22 Texte et Interprète : Association Kolo Lettre V E Y« r l s» 22 Texte et Interprète : Association Kolo Lettre R L S« h g d » 23 Texte et Interprète : Association Kolo Lettre HGD « j b k » 23 Texte et Interprète : Association Kolo Lettre JBK Zaza mahay mamaky teny aho 23 Texte : Association Kolo, Interprètes : association Kolo, Famille Razatovo Lecture bienfait

Lasa nianatra i Mora (remix) 24Texte: Association Kolo, musique : Hervé Demon, Interprète : Famille Razatovo

Lecture, savoir lire

Lasa nianatra i Mora 24Texte: Association Kolo, musique : Hervé Demon, Interprète : Narlaina Élisabeth Razefarison

Lecture, savoir lire

Iaba sy endry 24 Texte : Association Kolo, Interprète : Famille Razatovo Les mots / la grande famille o ! mivolagna mivolagna 25 Texte : Association Kolo, Interprète : Famille Razatovo LectureDihy malagasy 25 Texte et Interprète: Famille Razatovo Les mots / la cultureAmin’ity nosy malala ity 25 Texte : Association Kolo, Interprète : Famille Razatovo Les mots / la cultureHarena vitsy mpanana 25 Texte : Association Kolo, Interprète : Famille Razatovo Les mots / la cultureKo ! ko ! ko ry zanak’akoho 26 Texte et Interprète: Famille Razatovo Jouer avec les motsModimodia hono ry Mora 26 Texte : Association Kolo, Interprètes : Groupe studio et association Kalo Les phrasesIzaho mba te hiditra an tsekoly 26 Texte et musique : Rajery Générique, chanson thèmeDadabenoely 26 Texte : Daniel Rakontondrasoa, interprètes: association Kolo Le grand père au temps de Noël‘Zahay rehefa Noely 26 Texte : Daniel Rakontondrasoa, interprètes: association Kolo Les enfants à NoëlVakansa ê ! 27 Texte : Daniel Rakontondrasoa, interprètes: association Kolo Les occupations durant les vacancesAiza ‘nareo no hanao vakansa ? 27 Texte : Daniel Rakontondrasoa, interprètes: association Kolo Les régions de MadagascarNy tananako 27 Texte : Daniel Rakontondrasoa, interprètes: association Kolo Un regard sur mon quartierAnosivola 27 Texte : Daniel Rakontondrasoa, interprètes: association Kolo Se situer dans l’espaceVeloma kely Razandriko’zany! 27 Texte : Daniel Rakontondrasoa, interprètes: association Kolo Ecole en fêteMpianatr’Imanga 28 Texte : Daniel Rakontondrasoa, interprètes: association Kolo Ce qu’on apprend à l’écoleRivodrivotra 28 Texte : Daniel Rakontondrasoa, interprètes: association Kolo Mes rêves, mon métierNy ahy kosa…. 28 Texte : Daniel Rakontondrasoa, interprètes: association Kolo Mes convictionsAfomanga 28 Texte : Daniel Rakontondrasoa, interprètes: association Kolo Les couleursTonga indray ‘ty ny fety 29 Texte : Daniel Rakontondrasoa, interprètes: association Kolo La fête nationale

16

Titre Page Texte, interprète Thème

Miady hevitra 29 Texte : Francinet Ratsimaholy, INTERPRETE : Famille Pasy Discussion, savoir bien discuter, politesseTafa sy dinika 29 Texte : Francinet Ratsimaholy, Interprète : Famille Pasy Discussion, apprendre à argumenter polimentSambatra ho’aho ‘zay mpinamana 29 Texte : Francinet Ratsimaholy, Interprète : Famille Pasy Amitié, joie d’avoir des amis, solidaritéReo namako 30 Texte : Francinet Ratsimaholy, Interprète : Famille Pasy Amitié, le respect entre amisAvia ho namanay 30 Texte et Interprète: Famille Razatovo Amitié, aimer ses amisNamana mifanampy 30 Texte : Francinet Ratsimaholy, Interprète : Famille Pasy Amitié, entraide entre amisTeo aho dia falifaly ianao 30 Texte et Interprète: Association Kolo Joie d’avoir des amisNy asan'i Dada 31 Texte : Francinet Ratsimaholy, Interprète : Famille Pasy Respect des choses, des autres, demander avant d’emprunterSahirana 31 Texte : Francinet Ratsimaholy, Interprète : Famille Pasy Entraide avec les petites occupationsDoro tanety 31 Texte : Francinet Ratsimaholy, Interprète : Famille Pasy Lutte contre feu de brousseTandritandremo ny doro tanety 31 Texte : Association Kolo, Interprètes : association Kolo, Famille Razatovo Civisme, faire attention au feu de brousseVoly Hazo 32 Texte : Francinet Ratsimaholy, Interprète : Famille Pasy Nature, respectGidro 32 Texte : Francinet Ratsimaholy, Interprète : Famille Pasy Faune et flore, les animaux sauvagesFiompina 32 Texte : Francinet Ratsimaholy, Interprète : Famille Pasy Animaux, élevageTandremo ny loza 33 Texte : Francinet Ratsimaholy, Interprète : Famille Pasy Dangers qui peuvent arriver aux enfantsZoko ny mianatra 33 Texte : Francinet Ratsimaholy, Interprète : Famille Pasy Droit des enfantsLala mahitsy 33 Texte : Francinet Ratsimaholy, Interprète : Famille Pasy Respect des lois et des règles, le droit cheminMihaino 33 Texte : Francinet Ratsimaholy, Interprète : Famille Pasy Respect envers les autres, savoir écouterMahay mihaina izahay 33 Texte et Interprète: Famille Razatovo Respect, vivre en sociétéManaja 34 Texte: Association Kolo, Interprète: Groupe studio** Respect des autres, politesseZaza mahalala fomba 34 Texte et Interprète: Famille Razatovo Respect des autresMatanjaka izahay 34 Texte et Interprète: Famille Razatovo Soin du corpsSakafo be otrikaina 34 Texte: Francinet Ratsimaholy, Interprète : Famille Razatovo Alimentation, les aliments sainsIanaro 35 Texte : Francinet Ratsimaholy, Interprète : Famille Pasy Apprentissage, soins du corpsManao raharaha 35 Texte : Francinet Ratsimaholy, Interprète : Famille Pasy Petites occupationsGasikara 35 Texte : Francinet Ratsimaholy, Interprète : Famille Pasy Culture, connaître Madagascar, les couleursKolontsainan’ny taniko 36 Texte : Francinet Ratsimaholy, Interprète : Famille Pasy Culture, les danses traditionnelles, les traditions, les instruments de musiquesToy izao ny fitafianay 36 Texte et Interprète: Famille Razatovo CultureEndrey ny any aminay 37 Texte : Association Kolo, Interprète : Famille Razatovo cultureAmin’ity Nosy malalanay ity 37 Texte : Association Kolo, Interprètes : association Kolo, Famille Razatovo CultureMamiko ny tanindrazako 37 Texte et Interprète: Famille Razatovo CultureTiako i Gasikarako 37 Texte et Interprète: Famille Razatovo CultureTiako ny fianakaviako 38 Texte: Francinet Ratsimaholy, Interprète : Famille Razatovo FamilleNy fitiavan’i dada sy neny 38 Texte et Interprète : Association Kolo FamilleNy Fianakaviako 38 Texte: Redactrice Atec, Interprète: Groupe studio FamilleLehibe aho izao 38 Texte: Francinet Ratsimaholy, Interprète : Famille Razatovo Personnalité, développement des capacitésMitovy ny zo 39 Texte: Francinet Ratsimaholy, Interprète : Famille Razatovo Droit des enfantsNdao isika hilalao 39 Texte et Interprète : Famille Pasy Jeu (droit des enfants)Manana kôpia 39 Texte: Francinet Ratsimaholy, Interprète: Groupe Rindra et compagnie Droit des enfantsZon-jaza 39 Texte : Association Kolo, Interprète : Famille Razatovo Droit des enfantsFananantsika 39 Texte : Francinet Ratsimaholy, Interprète : Famille Pasy Bien scolaireFetim-pirenena 39 Texte : Francinet Ratsimaholy, Interprète : Famille Pasy Activités lors de la fête nationale Andron’ny sekoly 40 Texte : Francinet Ratsimaholy, Interprète : Famille Pasy Activités à faire lors des congés de la fête des écolesTratran’ny taona 40 Texte : Francinet Ratsimaholy, Interprète : Famille Pasy les Us et coutumes en début d’annéeNy fialantsatsatra 40 Texte : Francinet Ratsimaholy, Interprète : Famille Pasy Activités à faire lors des vacancesNy fianarana 40 Texte : Francinet Ratsimaholy, Interprète : Famille Pasy Importance d’aller à l’écoleTanàna mendrika 41 Texte : Francinet Ratsimaholy, Interprète : Famille Pasy Le quartier idéal

(2) Raki-kira mahakasika ny fahaiza-miaina

17

Titre Page Texte, interprète Thème

Mazoto izahay 41 Interprétée par Rindra et compagnie Joie de s’entraiderFalifaly lava 41 Interprétée par Rindra et compagnie Joie de travailler pour son paysManasa lamba 41 Interprétée par Rindra et compagnie Respect envers les autres, hygièneAlaviro 42 Interprétée par Rindra et compagnie Hygiène, ses bienfaitsFahadiovana 42 Interprétée par Rindra et compagnie Hygiène, comment laver le lingeNy zaza hendry 42 Interprétée par Rindra et compagnie Apprendre ce qu’est un enfant sage et poliAzafady 43 Interprétée par Rindra et compagnie La politesseRakoto 43 Interprétée par Rindra et compagnie Elevage, les sons des animaux de la fermeMihetsiketsika ny biby 43 Interprétée par Rindra et compagnie Les verbes d’actions, les animaux domestiques, le chiffre Ny anatra 43 Interprétée par Rindra et compagnie Les animaux nos amis et leur criDans mon joli pays 44 Interprétée par Rindra et compagnie Nature, aimer son paysNy loharano 44 Interprétée par Rindra et compagnie Respect de la nature, l’eau source de vieVoasary lalao 44 Interprétée par Rindra et compagnie Jouer avec les amis (droit des enfants)Jereo anie 44 Interprétée par Rindra et compagnie Respect de la culture, s’habiller traditionnellement, fierté d’être malagasyLambahoany 44 Interprétée par Rindra et compagnie Culture (vêtements, danse) selon les genres et les originesSoamiditra 45 Interprétée par Rindra et compagnie Culture : Jeu et danse traditionnels

Couleur 45 Interprétée par Rindra et compagnieApprendre les couleurs ( noir, bleu, rouge, blanc) et les différentes parties du corps humain

Razamany 45 Interprétée par Rindra et compagnie Apprendre les différentes parties du corps et les tenues vestimentaires Bitrokely 46 Interprétée par Rindra et compagnie Apprendre les mots : haut, bas, devant, derrièreMianatra manisa 46 Interprétée par Rindra et compagnie Dialogue : Jouer tout en apprenant les mathématiquesIzahay CE ! 46 Interprétée par Rindra et compagnie Les différentes matières du Cours ElémentaireNankaiza ? 46 Interprétée par Rindra et compagnie Dialogue : savoir s’informerNy mandeha tongotra 47 Interprétée par Rindra et compagnie Communication, moyen de transportNy mandeha tongotra 47 Interprétée par le groupe Haleloia Communication, moyen de transportKintana 47 Interprétée par Rindra et compagnie Jeu nocturneManana kopia 47 Texte : Francinet Ratsimaholy, Interprétée par Rindra et compagnie Droit des enfants Ny zonay ankizy 47 Interprétée par le groupe Haleloia Droit des enfantsRakoto mpiompy 47 Interprétée par le groupe Haleloia Les animaux de la ferme, l’élevageMitsiky 47 Interprétée par le groupe Haleloia Les expressions, sourire

(3) Raki-kiran’ireo sakaizan’i O ! O

18

Tononkira (1) : Famakianteny sy fanoratana ary fikajiana

‘Zahay am’dimy d’efa mifoha (remix)

‘Zahay am’dimy dia efa mifohaMavitribitrik’ery raha misasaMisakafo vary sosoaR’hefa voky avy hatrany dia lasa

R’hefa am’ fito, dia babena ny kitapoRoso mankany am-pianaranaAmin’ny valo, d’efa ao an-dakilasy

Eo Madama no miantso anaranaAmin’ny folo, kiririokan’ny sekolyMilalao miaraka amin’ny namanayRoa ambin’ny folo, samy miomana daholoFiravana, samy mody any an-tanàna

Folo paratan’ i Bemarivo

Isan – droa eRoa an-telo e !Telo an-efatra eEfatra dimyDimy an’enina eEnina Fito eFito e valo, eValo e Sivy eSivy e FoloFolo paratan’i Bemarivo eO ‘Lay gaona, tsisy vôla

Ombivavy be ronono

Ombivavy be rononoNo nompian-dry MamanoroTeraka, teraka, ombikely efatraHoy ny voalohany tamin’ilay faharoa :« An’ahy ‘zao ny nono fa mikisaha aloha »

Ombivavy be rononoNo nompian-dry MamanoroTeraka, teraka, ombikely efatraHoy ny faharoa tamin’ilay fahatelo :« An’ahy ‘zao ny nono fa esory aloha ny lelo. »

Ombivavy be rononoNo nompian-dry MamanoroTeraka, teraka, ombikely efatra :Hoy ny fahatelo tamin’ilay fahefatra :« An’ahy ‘zao ny nono fa ‘nareo efa mavesatra »

Ombivavy be rononoNo nompian-dry MamanoroTeraka, teraka, ombikely efatraFarany ny fahefatra ! tamin’izy rehetra« Rehefa anjarako ny nono dia tsy asiako fetra »

Ombivavy be rononoNo nompian-dry MamanoroTeraka, teraka, ombikely efatraDia nasian’i Zanahary nono anankiefatra :« Samy manana ny azy f’aza misy mihetraketraka ! »

19

1 fiomanana, 2 maka bahana,

3 dia lasa

Iray : FiomananaRoa : Maka bahanaTelo : Dia LasaIRAY ho’aho dia efa miomanaOhatran’ny hamonjy lanonanaNy saina no tena atombInaTsy hanaikinaiky hosongonana.

ROA dia miatrana tsaraMibanjina aloha fa tsy afaraVoriana ny hery rehetraHavitrika tsy hanjoretra

TELO dia lasa am’zay e !Iny fa lasa ny anay e !Ts’avelanay rah’tsy vita‘Zahay dia tsy maintsy tafita ê !Aza mifamono vorona‘Ndeha lalimanga samborina‘Ty mafana sy mavitribitrikaTsy matahotra mangorovitsika ê

Tanisa : isao ny ganagana

Isa : isao ny ganaganaRoa : roahy koa ny gisaTelo : teloy avy hakanaEfatra : efa roa no any sisaDimy : diniho izay hataoEnina : eneno koa ny varyFito : fidio izay tianao

Valo : valopy misy sarySivy : sivano io ny sivanaFolo : foloy ho maivamaivana

‘Reto ‘rery !

Aty ny vehivavy, ary arỳ ny lehilahy‘Zay manavinavy, avia manatona ahy !Aty ny fohifohy, ary arỳ ny lavalavaSamia mangina aloha, fa sao manata-bava

Tonintonin’ta torotorotaTonintonin’ta … torotorota …

‘Reto boribory, irerỳ no efajoroIsika hilalao k’aza dia matoritoryRaha mifangaroharo, avaho re ‘zay mitovyFa samy hafa ange ny karaoty sy ny ovy

Tonintonin’ta … torotorotaTonintonin’ta … torotorota …

He fa atambatambatro, ataoko iray toeranaAngoniko, fonosiko, mba tsy hibahan-toerana ;Avy eo dia ho tahiriziko ao anatin’ny valiziko :K’indray andro any ho lasa harena hankafiziko !

Tonintonin’ta torotorotaTonintonin’ta … torotorota …

20

Famantaranandro

Famantaranandro, ding ! dong !Hanokona sosoa, ding ! dong !Aiza ny kapoaka ? Inona no laoka ?Sao tara izahay !Famantaranandro, ding ! dong !Ny andro efa antoandro, ding ! dong !Veloma e Dada, veloma e Neny‘Ndeha hianatra izahay !Famantaranandro, ding ! dong !Ho avy aho haka rano, ding ! dong !Aiza ny siny ? Fa efa amin’ dimyHantsaka izahay !Famantaranandro, ding ! dong !Hamafa tokotany, ding ! dong !Aiza ny kifafa ? Fa aza manatsafaFa hiasa izahay !

Ny rantsan-tanako

Iray voalohany ny ankihikelyNy faharoa dia manara-poana‘Ty fahatelo no fanondro adalaNy fahefatra no tena fanondroNy fahadimy izay miavaka beIo ry zareo no ankihibeFa rehefa manisa aho dia manao hoe :Ny iray dia asehoko amin’ny ankihibeNy roa ampiarahako eo ny fanondroNy telo atambatra amin’ny fanondro adalaNy efatra miaraka manara-poanaDimy faranan’ny ankihikely.

Potipoteho ny paiso sy paoma

Potipoteho ny paiso sy paomaPotsipotsiro anaty vilanyHaroharoina tsy tapaka foanaFafafafazana be siramamy :Kôfitira no vita am’ zany !

Zarazaraina am ‘zaza mahayTsy azo omena an’ izay mitomanyF’izany no fomban’ny sekolinayZarina ho hendry sy madio hatrany :Zaza mazoto ‘zahay am’zany ê !

Faly dia faly ‘zahay manadioJereo ‘zao ny fako fa anio dia anio,Dia dorana ho zezika azo ampiasaina,Amin’ny voly na koa ho entona hataina,Tsy misy very rehefa misaina ê !

Abidy

a, b, d : omeo anay atỳe, f, g : ny tady sy kofehyh, i, j : haterinay arỳk, l, m : amin’ikalamenan, o, p : mihinana tapiar, s, t : ary koa voatabiav, y, z : ka mirezareza

21

Boribory misy rambony (remix)

Boribory misy rambony ambanyIza koa no tsy hahalala an’izany !Boribory misy rambony ambany“A “ no ahafantarako ‘zany !

Boribory misy sangany ambonyBoribory izy fa tsy “a” intsonyBoribory misy sangany ambony ?“O” ‘zany raha tsy fantatr’itony

Ary ‘lay tsipika toa laboziaTsy matavy be fa tena mahiaNy rambony iray miolaka atyK’inona izany fa tsy ilay “I” ?A o i ! A o i !‘Zay tsy mahavaky iry soratra iryMiverina mianatra ny abidi A o i ! A o i !

“ T N M ”

« T » sahala amin’i TotoZanak’ilay babakoto !Mbola kely dia tena nazotoNanoratra tamin’ fanoto !

« N » sahala amin’i NainaNazoto nifoha marainaNiezaka ka kinga sainaIzy dia tsy mba nalaina !

« M » sahala amin’i MoraZatra mandeha moramoraKa re (he)fa tsy mahavonjy oraDia ihomehezan’ireo mpanakora !

“ V E Y ”

« V » sahala amin’ny Voay !Vokisana vary ohatra anayAmin’ny valo dia mihinana indrayRehefa vonona ny kibonay !

« E » sahala amin’ny eloReh’fa tapaka mampalaheloNy eloben’i nenibeTandremo tapahan’ise

« Y » sahala amin’ny vyBakam-pilesy mivilanaMivilana sy mitongilanaManao didy sompirana

“ R L S ”

« R » sahala amin’ny roraRakoto, Ravao sy RaboraIbabakoto tsy manana raFa raha maratra izy mandeha ra

« L » sahala amin’ny loloE lavabe tsisy voloIzy rehefa mandehaEny amin’ny arabeDia tena olon-dehibe

« S » sahala amin’ny sifakaBe lamosina ! kibony fisakaIzy rehefa mandehaMitombina manao hoe : rambokely ao anatin’ny fe.

22

“ H G D ”

Lava hoho IbabakotoLava hihy SifakaMihirahira IlaitotozyHa ! ha ! ha ! hiaka !Misiotsioka Rafody

Hi ! hi ! hi ! Sariaka !Gisa gaigy mihinana olonaGisa lahy sa gisa vavy ?Gisa tsy mba menatr’olona,Ndao vonoina raha matavy.G g g g g g g ! goï goï goï

Dokodahy dokodahy dokodahy !Inona àry ‘zany raha fantatr’ialahy ?Tsy gana ! tsy gisa ! fa dokodahyNy dokodahy ve tsy gana vazaha ?Tsy gana ! tsy gisa, fa tena zava-misy :Rehefa tsy gisa dia gana metisy ê !

“ J B K ”

J J J J J J J JAsio jiro hijerena lalanaJiro fa maizina ! jiro re entina !Tsy misy jiro fa etsy tantananaRaha tsisy jiro jabora ampirehetina !

B B B B B B BIbabakoto tsy mila tantananaTsy azo badoina izy r’hefa amin’ny alinaMaso baribary dia tena fanananaAhavitany manao vikin’alina.

B B B B B B BBabeo Babakoto ‘ty entako ity a !Sao aho mianjera, na koa mikodiaAto ny baolina sy ny viliaKa bedin’i baba aho r’ha very izy ity

K K K K K K KSifaka koa ‘nge ka mahazaka entanaRaha entana kely, ka mifanentanaAmin’ny vatany izay tena kely dia kelyIzy ho’ aho mazoto fa andramo kely

K K K K K K KTsy zakany kosa raha izy ankiroaF’ izay kelikely ihany omena azy alohaLay baolina ataovy ao anaty kitapoDia mora babena tsy atahorana vaky

Zaza mahay mamaky teny aho

Zaza m‘hay mamaky teny ahoKa tsy azon’iza ambakainaZaza tia mamaky boky,Hany ka tsy voasolokyRaha alefa any an-tsena,Hividy anana sy henaAtaon’i Neny an-taratasy,Soratany am’ teny gasy‘Zay rehetra hovidina,Moramora tadidiana e !

23

Lasa nianatra i Mora

Nisy hono zazakely,Mora no natao anaranyMaika ery (ny) ho lehibe.Dia niteny tamin’i Neniny hoe : e ! e ! e !Zaho Neny efa lehibe,Ka omeo boky sy kahieZaho koa mba hianatra,Hamaky sy hanoratra : a ! a ! aLasa hono i Mora kelyLasa nankany am-pianaranaNotsenain’ i MademôzelySady nahazo namana : a ! a ! a !Dia nianatra abidiKa dia falifaly erỳIsaky ny mahita laboziaDia lazainy hoe io ny “I” … i ! i ! i !Dia nirava, lasa nodyHe naseho avoko-o … Ny kahie toa feno atodyTsy atod ‘reo fa izao no “o” … o ! o ! o !

Iaba sy endry

Soa dia zana-dRasoa,Rasoa dia endrin’i SoaKoto dia zana-dRakoto,Rakoto dia iaban’i KotoNoro dia zana-dRanoro,Ranoro dia endrin’i NoroNaivo dia zana-dRanaivo,Ranaivo dia iaban’i NaivoVelo dia zana-dRavelo,Ravelo dia endrin’i VeloDitra dia zana-dRaditra,Raditra dia iaban’i DitraFara dia zana-dRafara,Rafara dia endrin’i Fara

O ! Mivolagna

Ts’isy maresaka raha tsy miresakaO ! mivolagnaF’raha tsy miresaka dia mitofezakaO ! mivolagna‘Zaho tsy mba menatra raha manontany,Na iza na iza hanaovako izany,H’resahiko jiaby na ambony na ambany ! O ! mivolag-na !Tsy mihafahafa aho rehefa mitenyO ! mivolagnaKa raha teny no gasy no hifampitafanaO ! mivolagna !Dia haiko hatramin’izay angolan-tenyKa baboko foana ny mpihaino mazanaAry mandeha ho’azy ny fifankahalalanaO ! mivolagna !

24

Dihy malagasy

TiritiritiritiritiHenoy, henoy ny filazako azyIzao no tantara ka henoy tsaraHenoy tsara ny tiako hambaraHo antsika zanak’I GasikaraIndrindra ianao zanaka amam-paraTiritiritiritiritiriti

Henoy, henoy ny filazako azyIreo kolontsaina hananantsikaAnisan’ireny ny dihy sy mozikaTsy atakalo tsy amidy volaTsy mety lefy, tsy mety tolaTiritiritiritiriti

Ny dihy soroka, lantsi-tananaTena hafa kely fa vitsy mpananaKidaombaramita, kidaombitahaMahafinaritra, fampitahaTiritiritiritiriti

Na ny batrelaka avy atsinananaNa ny salegy tonga any avaratraNa ny kilalaka sy ny sisaHajanoko hatreo fa tsy voatanisaTiritiritiritiriti

Amin’ity nosy malalanay ity

Amin’ity Nosy malalanay ityZahay mitendry gitaraAmin’ity Nosy malalanay ityZahay mitsoka sodinaAmin’ity Nosy malalanay ityZahay mively ampongabeAmin’ity Nosy malalanay ityZahay mitendry lokangaAmin’ity Nosy malalanay ityZahay mitendry piano

Harena vitsy mpanana

Karazan-kazo zay vitsy mpanana :Isika no manana tokana an-tany !Ka aza avela ho lany taminganaAza manaiky ampiasaina handringana.Karazam-borona zay vitsy mpanana :Isika no manana tokana an-tany !Ka aza avela ho lany taminganaAza manaiky ampiasaina handringana.Karazam-bato- soa vitsy mpanana :Isika no manana tokana an-tany !Ka aza avela ho lany taminganaAza manaiky ampiasaina handringana … Karazam-boankazo tsy misy any ho any :I Gasikara ê ! manana ihany !Ka aza avela ho lany taminganaAza manaiky ampiasaina handringana ...

25

Ko ! Ko ! Ko ry zanak’akoho

Ko ! ko ! koRy zanak’akohoNy atodiakoho misy “o”Lo ! lo ! loNy lolo ihany koaNy lolo ihany koa misy “o”Ny alika koa … Raha mivovo.Dia manao hoe : “o” “o” “o”

Modimodia hono ry Mora

Modimodia hono ry Mora aFaingana fa aza midolaFa raha vao mandeha moramoraManjary tsy mahavonjy ora

Mora ve tsy azo tenenina e !Omeo taratasy sy penina ahoHo soratako sao ‘lahy mareninaNa lazain’ny olona afenina e !

Izaho mba te hiditra an-tsekoly

Izaho mba te hianatra tsaraMahay miteny sy manisa, mitantaraIzaho mba te hiditra an-tsekolyHamaky boky, hanao tsianjery, hiala voly Fiv: Eh … tena marina e … e tena marina e (bis) Izaho mba te hiditra an-tsekoly (valiny) O ! i ! ô ! Te hianatra izahay !

Dadabenoely

R’hefa Dadabe no tonga :Falifaly ny kilonga !Manantena ny ho voky,Ho tsenainy lokiloky !Indro àry izy fa tamy,Mitondra vatomamy !Tsy homeny ‘zay maditra :Avelao hipitrapitra !

‘Zahay rehefa noely

Fiverenana :‘Zahay rehefa NoelyAtaon’ny olona toy ny AnjelyIvidianana kilalao ôTambazana ‘zao sy ‘zao

Vao midify ny Noely :Hadino ‘ lay zazakely !Ampiasaina hitady vola,Tsy mba afaka miangola … ‘Zahay rehefa Noely ….

Vao midify ny Noely :Hadino ‘lay zazakely !Asaina mitana basy,Tsy mandalo ‘zay lakilasy … ‘Zahay rehefa Noely …

Vao midify ny Noely :Zera-baomba sy vono reny !Aiza ‘lay zazakely ?Velom-poana tsy miteny … ‘Zahay rehefa Noely …

26

Vakansa ê !

Ie vakansa lahy Eka

1-Tsy mifoha maraina EkaM’lamindamina saina EkaTsy m’taraindraina EkaTsy miferin’aina EkaVakansa ê ! …

2-‘Ndao ‘lalao any an-tsaha EkaHangala kazaha EkaHanao fampitaha EkaAvia manaraha EkaVakansa ê ! …

3-Tsaroana i Madama EkaIanao ve salama ? EkaTsaroana i M’sé EkaAkory aby ê ! Eka

Aiza ‘nareo no hanao vakansa ?

Aiza nareo no hanao vakansa ?Mahajanga sa Toamasina !‘Zahay Tolagnaro no hihasinkasinaAm’torapasika ranomasina.

Any Ramenan’ AntsirananaDia misy plazy efa miandry havana !Ny lalana izao efa tena tsara :Mampifandray an’i Gasikara !Veloma re ry havanay !Veloma tsy mandrakizay !

Ny tananako

Ataoko tsy mena-mitaha !Amin’ny tananam-bazaha !Ny toerana izay misy ahy.Ka jereo fa manomboka anio,Fanamby ‘ty ka tadidio :‘Zay jeren’ny maso madioTongava ka vangivangio !

Anosivola

Ao ambany avaratra Ambohitsitakatra,No misy ilay tanàna, mora fantatra ;Raha misy manontany, dia lazao hoe :Io no Anosivola, tanàna maminay !

Raha misy ny vahiny te hitsidika ao,Ny lehibe sy ankizy no indray mandray anao.Ka misy tafajanona tamàna tao,Misy mahatsiaro mifanoratra aminao ô !

Veloma kely razandriko ‘zany

Bâ ! bâ ! bâ …Veloma kely razandriko ‘zany !Hendre tsara fa aza tomany !Zoky ‘ndeha hianatra k’handao ny akanyF’ atoroko anao ‘zay ataonay any ! An …

Bâ ! bâ ! bâ …Ny mpampianatra anay ange ka RamoseNy namako any dia be dia beIanao koa izao rehefa lehibe,Dia tsy maintsy ampianarin’ilay Madé ! an …

27

Mpianatr’Imanga

Izahay ‘zao no Mpianatra ao Imanga,Mbola zaza miezaka ho olomanga !Ny fianarana izay ataonay :Tsy amelanay raha tsy hainay :

Mamaky teny : vitanayNy manisa : kapoakanay !Ny manoratra iangalianay !

Rivodrivotra

Ts’ho lehibe aho angaha !Ataoko gaga ialahy !Hanamboarako fiara,Vita Madagasikara !Tsy mihinana lasantsy,Rivodrivotra dia ampy.

Ts’ho lehibe aho angaha !Ataoko gaga ialahy !Fa ny rononon’ikala Rana,Vola be hikararana,Hahasolo ny karamaSady tena hahasalama !

Ts’ho lehibe aho angaha !Ataoko gaga ialahy !Tsy hampiasa labozia intsony,Na saribao anaty gony,Fa hanan-jiro hanazava !Sy angovo ketrika sakafo,Rivodrivotra no afo !

Ny ahy kosa

Ny ahy kosa no mba tiakoSady koa mba faniriako,Tsy dia hoe ho dokoteraNa koa hoe mpanao afera !Fa hanatsara ny tontoloTsy ho simba na hikoroKa ho Edena hanan-jaraIlay Madagasikara !

Tiako hoe ny bibidiaHo afaka hiriariaHo lava andro toy ny anjely,Eny hatramin’ny voronkely !

Tiako hoe ny alantsikaSisan-tavy nataontsika !Mba hikitroka ala maitso,Hanadio ny rivo- mainty !

Afomanga

Afomanga dia mangamangaAfomena dia menamenaAfomaitso dia maitsomaitsoAfofotsy dia fotsifotsy

Mitsoriaka manaka-danitraMiparasaka ranomanitraLoko ‘zany ! tena mahafinaritra,Indrisy anefa fa tsy maharitra !Afomanga …

28

Tonga indray ‘ty ny fety

Tonga indray ‘ty ny fety !Ka samy manao metimetyNy laoka atao tsaratsara !Fa fetin’ilay Gasikara.

Tonga indray ‘ty ny fety !Vahoaka jiaby mifaly :Toa afa-drofy, afa-jaly,Afaka mba miangaly.

Tonga indray ‘ty ny JionaFiarahantsika midola,Volana manan-tantara,Tsarovan’ny dimby sy fara !

Tafika manao matso :Fahafinaretan’ny maso,Harendrin’ankizy ny hariva :Arahin’ny feon’antsiva !

Faranan’ny afomanga,Tazan-davitra manangasanga !Lanitra tomefy loko,Toy ny natao hoso-doko !

Miady hevitra

Ny miady hevitra misy lalànaMisy ny toetra ‘zay tsara fafànaNy miteny lava, io dia fadinaNy menamenatra koa dia arianaTsy tsara mihitsy ny tonga dia tezitraIsika tsy miady fa mampiady hevitra‘Reo manazava dia henoy tsaraNy manapa-teny dia tena voarara‘Zany no atao hoe manaja ny hafaRaha vitanao io mirindra ny tafa

Tafa sy dinika

Raha misy ny tafa sy dinikaIzaho dia mihaino ary koa dia mandinikaRaisiko ny hevitry ny hafa k’alohaAvy eo aho milaza ny hevitro.Rehefa hiteny dia manangan-tananaAmbara ny hevitra anananaTsy menamenatra, tsy mihafihafy,Fa mijoro tsara ka miteny mafy ...

Sambatra ho’aho ‘zay mpinamana

Sambatra ho’aho ‘zay mpinamanaFa tanan-kavia sy havananaZaraina ‘zay rehetra ananana

Sambatra ho’aho ‘zay mpinamanaRa’ noana dia indro fahananaIainana ny fiadanana

Sambatra ‘zaho mana-namanaRa’ lavo aho dia raisina tananaNy anarany dia Ndremanana !

Ny anarany dia NdremananaZa ‘zao no tanany havananaSambatra ‘zay mana-namana

Sambatra ‘zaho mana-namanaSambatra ianao mana-namana‘Sika dia tena mpinamana

29

Tononkira fahaiza-miaina

Reo namako

Reo namako tsy omeko, tsy omeko anaram-bosotraFa manjary sosotraReo namako tsy anaovako, teny mankararyNa sangy tsy manjaryReo namako tsy esoiko, na fosaiko koaNdrao marary fo.Tsy manavakavaka aho, tsy manambanimbanyFa tena ratsy izany.Reo namako dia namako, miara-milalao.‘Zahay tsy mifandao !

Avia ho namanay

Mila namana izahayMba hiara-milalaoAvia re ho namanayMifanampy amin’izay hataoTiako ny namako (bis)Tsy mba tia sotasotaMifankatia tokoaNy fo dia tena tsotraMpinamana izahayTiako ny namako (bis)

Namana mifanampy

Ny namana tsy ariana,Ra’mila fanampianaRaisiko ra’trotraka,Hareniko ra’potrakaMangovitra izy angamba,Dia tafiako lambaRa’sahiran-tsaina,Omeko izay ilainaRa’mafy raharahaManampy ihany,F’izay mila izanyTsy azoko ariana,Na oviana na oviana

Teo aho dia falifaly ianao

Teo aho dia falifaly ianao,R’ha tsy teo aho nitomany ianaoHay ‘ lay tambitambikoTena tian’ny zandrikoHay ‘lay rotsirotsiko‘Henoiny ao an-damosiko !

Teo aho dia falifaly ianaoR’ha tsy teo ‘aho nitomany ianaoHay ‘lay sora-tanakoHay ‘lay asa tanakoTi’nao ianaranaIanao nangarangarana !

Teo aho dia falifaly ianaoR’ha tsy teo ‘aho nitomany ianaoHay ‘lay zaho namangySy nisangisangyTi’nao mba haharitraIanao tena finaritra !

30

Ny asan’i dada

Ny asan’i Dada dia haiko,Fa mamiko sady lalaiko.Ianarana aloha ‘zay ataony,Jereko ny zava-panaonyIreo fitaovana vita tsianjery,‘Zay ataony rehetra tsy very.‘Zao anefa zalahy no mba hafatra Tandremo ny manimba zavatraTandremo tsy hanao ankambo,Ka ho tratry ny loza sy antambo.Mierà aloha vao mandray,Toavy ny tenin’ny ray !

Sahirana

Sahirana i Dada sy i Neny‘Zaho dia manampy azy irenyTsy mila azy mivazavazaAtaoko ‘zay raharaha sahaza

Ohatra hoe tsaka ranoMamafa, miborosy tranoMahandro, manasa loviaNa manadio lakozia

Matetika mankany an-tsahaManampy mpanao raharahaAm-pianarana torak’izanyMiara-miasa am’ namana hatrany

Mitombo ny zavatra haikoMaranitra koa izany saikoFaly sy ravo ny raikoI Neny ve mbola holazaiko ?Tena namana hono ny tenaMahafaly fa tena harena !

Doro tanety

Raha misy ny zava-tsy metyDia ny mandoro tanetyLasa ny tsiron’ny tanySimba ka mampitomany

May koa ny hazo sy alaMay noho ‘reo olona adalaFongana ny bibidiaMahantra ity tany ity

Matiantoka ny FirenenaMatiantoka fa rava harenaSazio ny mpandoro tanetyFa ny toetrany re ka tsy mety !

Tandrintandremo ny doro tanety

TiritiritiritiritiVoly mangahazo an-tampon-tanetyAsio aro riaka fa tena ho metyTotofy tsara raha tiana ho vaventyFa tena hahavokatra folo sarety

TiritiritiritiritiFa tandrintandremo ny doro tanetyFa fomban-jiolahy io ka tena tsy metyManjary tsy azo ambolena intsonyFa may avokoa na ambany na ambony

31

Voly hazo

‘Ndeha volena hazo,F’isika dia hahazo.Ny orana ilaina,Ho an’ny tany maina

‘Ndeha volena hazo,Ka hirao ny vazo.Fa rivotra madio,No entin’izy io.

Fa ny tanindrazanaSy tanety ngazanaTsy tokony hodoroina,Fa tsara raha koloina

‘Ndeha volena hazo,Fa ho soa no azo.Satria ny tsiron-tany,Dia ho voaaro hatrany.

‘Ndeha volena hazo,Hazo tsy malazo.Hazo, ala, harena,Ho an’ny FIRENENA !

Fa ny tanindrazana,Sy tanety ngazanaTsy tokony hodoroina,Fa tsara raha koloina

Gidro

Raha gidro no hoe hoteneninaAngamba dia misy hihomehyKanefa tsy azoko afeninaF’harenantsik’io r’ise !

Ny sokatra, kary sy lamboNy mamba, ny lolo sy ny do‘Sika rehetra tsy mihamboFa ananantsika avokoa

Ny ankoay sy ny vintsyNy biby rehetra ao an’ala‘Reo hazo meva tsy vitsyBaobaba sy ny ravinala

‘Reo biby sy zava-maniryFahitantsika hatrizaoHarena tsy fahita firyArovy fa ahy sy anao

Fiompina

‘Zay mahakolokolo no manana ny soaFinaritra izahay fa miompy akohoAtaonay vakisiny, diovina ny tranoTsy hadino ny sakafo, dia omena rano‘Zay mahakolokolo no manana omby soaGisa, sarin-dokotra, kisoa matavy koa‘Zay mahakolokolo, tsy kivy na sorenaFa fahasoavana io, vola aman-karena

32

Tandremo ny loza

O Rankizy a !Aza mihanika hazo,Fa loza no hahazo.‘Zay midaraboka eny,Tapaka ny feny.Fadio ny manga manta,Ry Lisy sy ry HantaTandremo koa ny rano,Fa ahitana angano.Ny orana raha avy,Mialofa sao manavy.Ririnina raha tonga,‘Zao re RakilongaAkanjo ba tafiana,Ny sery no iadiana

Zoko ny mianatra

Zoko ny mianatra ry Dada sy NenyMahay manoratra, mamaky tenyZoko ny mianatra, manao tabilieManan-kitapo sy boky, kahie … Zoko ny mianatra tahaka an’i KotoZoko tokoa, ‘Za dia mazotoZoko ny mianatra tahaka an’i ZayNy mianatra mantsy no olo-mahay.

Lala-mahitsy

Ny fiainan-drehetra dia misy lalànaMisy malalaka, misy rarànaTsy ‘zay ao an-tsaiko dia azoko ataoFa misy ny zavatra ‘zay tsy fanaoTsy avelako simba ny zavatra indramikoKoloiko tsara, ho madio ka alamiko

Ra’sendra misy ny zavatra tiakoDia “ ny mangalatra”, io no fadikoK’izao re no izy, ‘zao no anatraTsy maintsy miera aho ra’mindran-javatraRehefa tsy ahy dia tsy raisiko mihitsy‘Zay no hizorako : lala-mahitsy !

Mihaino

Matoa milamina ny ato an-tranoMihaino an’i Dada sy Neny ny ankizyIndreo koa fa mirana Ikala sy FanoMalalaka ny heviny no tena izy.Matoa milamina ny fivorianaMihaino tsara ny tsirairayMatoa ny rehetra no liana, manginaMifanaja tokoa no dikan’izay.Matoa mihaino dia faly mandrayNy hevitra tsara ‘zay tiana hitoetra

Mahay miaina izay

Bedy raha maka tsy mieraBedy raha be setrasetraMangataka sy mieraNo tian’ny olon-drehetra

Bedy raha manimba zavatraBedy manompa olonaNy zaza tian’ny mpampianatraDia ny hendry sy mpanaja olona

Bedy raha tia vandivandyBedy raha tia fosafosaMilaza ny marina hatranyMahazo fitia miavosa

33

Manaja

‘Reo olon-dehibe, tsy maintsy hajaikoKa arahabaikoRaisiko ny anatra omen’izy irenyKa henoiko tenyRaha mavesatra izy ka indro sahiranaTsy misy ifandiranaFa mpitondra entana hatrany ny zandryHenjano ny sandry.

Zaza mahalala fomba

Tena tsara mahafinaritra eZaza mahay miarahaba eMahafinaritra marina a

Tena tsara mahafinaritraZaza mahay misaotra eMahafinaritra marina a

Tena tsara mahafinaritraZaza mahay manao azafadyMahafinaritra marina e

Tena tsara mahafinaritra eZaza mahay manaja olona eMahafinaritra marina e !

Matanjaka izahay

Isa, roa, teloAtsangana ny tananaEfatra, dimy, enina.Alefitra indray

Dia ahodina ny lohaMiaraka avokoaAtao havia, havananaDia averina indraySady mahafalyIreo mpanabe anay.

Hazakazaka izaoNo andeha ataoTsy misy tavelaMiaraka isikaIzay tonga alohaOmena valisoaIzay tara kosaDia ankizy osaosa

Koa alao heryRankizy malala mba ho reharehan’ Ity Gasikara

Sakafo be otrikaina

Sakafo zay be otrikainaRankizy no tena ilainaHano ny atody sy ovyNy fahasalamana arovyHano ny hena sy trondroAza hadino ny akondroHano fa aza malainaNy sakafo izay be otrikainaAntoandro, hariva, marainaMba hisokafan’ny saina !

34

Ianaro

Izay maloto anie rankizy, Alaviro !Fa voretra ka tsy izy, Alaviro !Fahavalon’ito rano, Alaviro !Be tsikoko sady kamo, Alaviro !Ny maloto mampitsoaka, Alaviro !Izay maloto, ho voaroaka, Alaviro !Izay maloto tsy ekena,Fa ny loto ho resena !Ny madio anie ry zaza, Ianaro !Tsy mba mampivazavaza, Ianaro !Mahafinaritra ka soa, Ianaro !Kilonga mamy, mpankato, Ianaro !Neny, Dada, tsy sahirana, Ianaro !Ny mpampianatra dia mirana, Ianaro !Faly ravo koa ny namana, Ianaro !Ny madio no’ndeha ho tanana, Ianaro !

Manao raharaha

Manao raharaha ao an-tranoIlaina tokoa ra’izanyMahandro na mantsaka ranoMisoroka ny tokotany

Manao raharaha ao an-tranoManampy an’i Neny amin-kenonaFafao ka diovy ny tranoNy tsy mety rehetra harenina

Manao raharaha ao an-tranoManampy an’i Dada amin’ny asaTsy mila lehilahy kamokamoNy tsy mifanampy tsy lasaManao raharaha ao an-tranoManaja ny ray aman-drenyJereo sy diniho ka tazanoFa tena zanaka ireny

Gasikara

Tanindrazako dia ‘GasikaraNosy maitso ka meva sy tsaraNosy mamiko ka tsy asoloMaro foko izy : valo ambin’ny folo

Tanisaiko eto ny BetsileoNy Sihanaka koa dia indreoMasikôro ary koa ny TandroySakalava ‘zay tsy azoko afoy

Merina, Tanôsy, BaraMifandray, mihavana tsaraSamy mana’ny fombany’reoManan-kasina rehefa aseo

Ny fitafiny koa mba tazano‘Ndreny ny BezanozanoMahafinaritra rehefa tafarakaNy Vezo sy Betsimisaraka

Tanindrazako ho’aho GasikaraNosy maitso, ka meva sy tsaraN’aiza n’aiza tsy hangasihasyTena faly satria Malagasy

35

Kolontsainan’ny taniko

Ny kianja efa vonona sy malalakaKa mitsangàna handihy ‘zalahyNy dihy salegy sa ny kilalaka ?Hetseho ny vatana, aok’ho sahyKolontsain’ny taniko e !Kolontsaina ka mamiko

Ao ny batrelaka, vako-drazanaAfindrafindrao, efa fantatraoTiako ny dihin’ny tanindrazanaTsy mena-mitaha tsy mba mankalaoKolontsain’ny taniko e !Kolontsaina ka mamiko.

Henoy ny hira sy feo mangaArahan-kabôsy na ny valihaMatetika misy ny feon-dokangaHatramin’ny vahiny aza mankafyKolontsain’ny taniko e !Kolontsaina ka mamiko.

Fantaro koa ny fomban-tanyToy ny sambatra, fitampohaSamy manana ny azy ny faritanyFahendren’ny taniko tena soaKolontsain’ny taniko e !Kolontsaina ka mamiko.

Toy izao ny fitafianay

Ity lambako ityFitafy tena tiakoTsy hamidy sanatriaRehareha ka tafiako

Ity semboko ityLamba tena tiakoHoentiko mandihyTiako ka kajiako

Ity satroko ityNo ahalalana ahyIzao no satrokay atyMalagasy izahay

36

Endrey ny any aminay

Tsarovako foana re ry lahy‘Zany tenako maimayManaitra ny foko sy fanahyEndrey ny any aminayO ! o ! o ! o ! o ! o ! o ! o ! o

‘Zahay r’hefa reraka miana-desonaTsy mba avy hatrany dia lasa miesonaFa lasa midina ambanivohitraMifoka rivotra an-tendrombohitra

‘Zahay r’hefa reraka miana-desonaTsy mba avy hatrany dia lasa miesonaFa lasa mamonjy ny ranomasina :Eny zahay no mba mihasinkasina !

‘Zahay r’hefa reraka miana-desonaTsy mba avy hatrany dia lasa miesonaFa lasa mijotso eny an-tanimbolyEny ‘zahay no mba miala voly !

Zahay r’hefa reraka miana-desonaTsy mba avy hatrany dia lasa miesonaFa lasa mibata ny lakan-jejoEny ‘zahay no mijejojejo !

Mamiko ny tanindrazako

MadagasikaraNosy tena mamikoNosy tsy mizarazaraAtaoko fifaliakoIreo harena marobeTena be mpitsiriritraMba henoy kely angeTsy avelako ho ritraIreo hazo hafakelyIreo biby miavakaArovy ireo tsy ho veryHandresy isika miaraka

Tiako i Gasikarako

Ity nosinay ity,Gasikara no anaranyToy ny tongotra ankaviaRaha atao ny sarinyRanomasina no fefyTena mandry fehizayNy fahendreny tsy ho lefyMamy tena maminay

37

Tiako ny fianakaviako

Dada, dadako, etsy ange ianaoJereo fa hosoratako izao ny anaranaoDada, dadako, isaorako ianaoMihaino izay teneniko, mijery izay atao

Dada, dadako, tiako be ianaoIzay ezaka mba hataoko, ankasitrahanaoDada, dadako, miasa mafy ianaoIzay rehetra hananako, dia avy aminao

Neny, neniko, mamiko ianaoLazaiko, tsy afeniko, izay ataonaoNeny, neniko, ny tambitambinaoTsaroako, tsy hadinoko ireo tambitambinao

Neny, neniko, tsy sasatra ianaoManatsara ny fiainako ; manoro izay hataoNeny, neniko, na oviana, na ovianaNy foko sy ny saiko dia feno hafaliana

Zoky, zokiko, azo ianteheranaAndry sy tokiko, feno fandeferanaZandry zandriko, ndeha hiara-milalaoAtolotro ny tanako, ho tantanako ianao

Dadabe, Nenibe, ireo no tena hafa kelyTena mamy mamy beMamy toy ny tantelyMatoa mirindra ny fiainana ! hay !

Ny fitiavan’i dada sy neny

Ny fitiavan’i Dada sy NenyDia fitiavana tsara indrindraFanompoana an’i Koto sy KalaNa ho reraka na ho salamaFony aho vao latsaka an-tanyNibadabada hoe Dada sy NenyTe hihanta sy tia hobabeny

Ka tiavo ny ray aman-drenyFony aho vao niana-nitsanganaNy lamosina nila ho manganaRaha sendra ka diso sakafoDia velona ny safosafo.

Ny fianakaviako

Fantatro ny ankohonakoDadako, NenikoZokiko sy Zandriko

Fantatrao ve ny ankohonako !Fantatsika ny ankohonany

Haiko ny fianakaviakoDadatoa, NenitoaDadabe sy Nenibe

Hainao ve ny fianakaviakoHaintsika ny fianakaviany

Lehibe aho izao

Lehibe aho izaoZazalahy tsy be lalaoTsy manao zay tsy fanaoFa mianatra no tena ataoHaiko ny mamaky tenyNy manampy anao ry NenyNy mikarakara tenaDia mantsaka sy miantsenaNy asamarika dia haikoFa mandranitra ny saikoJereo ny soratro voakalyNy mpampianatra dia falyLehibe aho izaoMifampihaino ny olon-drehetra.

38

Mitovy ny zo

Na lahy na vavy, mitovy avokoaMiasa, mamokatra an-kerim-po‘Zay vitan’ikoto dia vitan’i SoaTsy misy ny azy sy hoe an’iroaNa lahy na vavy, sahala avokoaNy marina dia MITOVY NY ZO.

Ndao isika hilalao

Ndao isika hilalaoRaha mety aminaoTsy hoe hivangabaoFa fialan-tsasatraNdeha hihazakazakaSy fangalam-piery koaRaosy jamba ve no atao ?Ndeha hilalao isika izaoKivarovarotra ve no ataoSa ankamantatra ?Fanorona sy katro koaMampiasa loha

Manana kopia

Izaho no Lemaro. Izy no RandriaZahay roalahy ireto dia manana kôpia (miaraka)‘Zaho no Sahondra. Izy indray no Fy.Tsy zarizary ‘zahay raha tsy manana kôpia (miaraka)Ny taona nahaterahana, ny Reninay sy Ray (miaraka)Dia voasoratra ao, ka faly ery ‘zahay (miaraka)Izao no izy leitsy ! Izao no izy akia !Zontsika zaza ! Ny manana kôpia (miaraka)

Zon-jaza

Omenareo ve ry DadaOmenareo ve ry NenyOmenareo ve ry Dada sy Neny ny zonay

Raha mba mihirahira izahayLazaina mitabatabaRaha manoratsoratra izahayLazaina mandoto rindrinaRaha mba manontany izahayLazaina mandrebireby.

Fananantsika

‘Zao re no izy ry zandry sy zokyKajio tsara, fonosy ny bokyKendreo tsy hiforitra ny sisin-kahieTsy hisy hosoka ny asan’ise.

Aza soratana ny dabilioManimba seza dia tena fadioRa’ mampiasa tsaoka dia tsitsitsitsioNy tabilao dia ataovy madio.

Kolokoloy re ny SekolintsikaKajio sy arovy fa fananantsikaAo no handraisana ny FahendrenaHoenti-manondrotra ny Firenena.

Fetim-pirenena

Rahampitso izao dia fety, io no fetim-pirenenaDadanay, izaho sy i dahy, ary i Neny no hiantsenaFaly ery anie ‘zahay e ! Sobika be no niara-nentinaMba hasina ny sakafo, kilalao sy ireo harendrinaRahariva izao ny ankizy dia hitety ny tanànaHanao harendrina izahay ka hihira sy hikorànaRehefa tonga ilay fety, ‘zahay hijery « défilé »Avy eo dia hisakafo, ny laokanay dia vorombe !

39

Andron’ny sekoly

Andron’ny sekoly izao ny andro anioFinaritra izahayMilamina aok’izany – Voahaingo sy voadio ny lakilasinay

Nasiana lampihazo hanaovam-pety izaoNy eo an-tokotanyDihy mirindra kanto, hira, kilalaoNo hitanao hatrany

Andron’ny sekoly, akanjo tsara indrindraNo entiko izaoMba ovako kely ho tsara ny famindraKa ho gaga ianao

Andron’ny sekoly, ry Neny ‘zao hijeryI dada ho any akia !I Badoda hihira, ‘zaho hanao tsianjeryI Lisy koa handihy …

Tratry ny taona

He arahabaina fa tratry ny taonaMitsiky, miravo fa he tafahoanaTratry ny taona ry Dada sy NenyTratry ny taona no voalohan-teny »‘Zao ny andro fifalianaTratry ny taona ry havana tianaRy tapaka, namana, he arahaba‘Ndao àry handihy, hifaly, hikotaba

« Tratry ny taona e ! »

Ny fialantsasatra

Rehefa « vacances » tsy hoe milalaoKa faly miridana fotsiny izaoMipelipelika, manata-bavaManakorontana, mandravaravaRehefa « vacances » dia izao no izyAoka hilamina isika ankizyManampy an’i Dada, manampy an’i NenyMamerin-desona, mamaky tenyDia mahalala izay tokony hataoRaha vita ‘zany vao milalao … ‘Zany ô !

Ny fianarana

Isa, roa, telo,‘Zay tsy mianatra mampalaheloEfatra, dimy, enina‘Zay tsy mahay dia haneninaFito, valo, sivyTsy kamo ary tsy mora kivySatria izay mianatra ihanyNo tsy maintsy tafita hatranyMahazo ny soa sesilany

A, b, d‘Zay te hahay mamakiaE, f, gMahaiza manisa ry ‘seI, j, kTsy bado, tsy very mandehaTsy voafitaka, tsy ambakainaFahaizana tena ilaina‘Zay tsy mahay dia mangaina

40

Tanàna mendrika

Mendrika ery ny tanànaMadio izy ka fiadanakoMahafinaritra ery ‘zay jerenaMilamina, ka tena harena

Ny mponina dia mahatsapaFa ny tanàna dia lapaTsy tokony hozimbazimbainaKoloina sy tena lalaina

Ny ankizy manara-dalànaBolangina ery fa salamaMendrika ho’aho le tanànaKanto ka mahatamana

Mazoto izahay

Mazoto izahay, ka falifaly fo,Mazoto izahay, ka falifaly fo,Miasa, miasa, miasa avokoa,Miasa, miasa, miasa avokoa.

Mazoto izahay, ka falifaly fo,Mazoto izahay, ka falifaly fo,Miasa, miasa, miasa avokoa,Miasa, miasa, miasa avokoa.

Falifaly lava

Falifaly lava izahay,Falifaly lava izahay,Falifaly lava izahay,E ! Miasa ho an’ny tanindrazanay !

Miramiran-dava izahay,Miramiran-dava izahay,Miramiran-dava izahay,E ! Miasa ho an’ny tanindrazanay !

Mitsikitsiky lava izahay,Mitsikitsiky lava izahay,Mitsikitsiky lava izahay,E ! Miasa ho an’ny tanindrazanay !

Manasa lamba

Aiza isika no hanasa lamba e lamba ?Arý amin’ny dobo tsy misy mamba e mamba !Tsy foiko lotoina ity lamba ity e lamba !Satria fanomezan’ny olon-tiana e lamba !

Lamba e, lamba a !Lamba e, lamba a !Lamba e, lamba a !Lamba e, lamba a !

Lamba nomen’olon-tiana,Mamy ka tiako hotafiana,Lamba tsy manan-tsahala,Natolotry ny olo-malala !

Lamba e, lamba a !Lamba e, lamba a !Lamba e, lamba a !Lamba e, lamba a !

41

Tononkiran’ny sakaizan’i O ! O hirain’i Rindra sy ny tariny

Alaviro

Zay maloto anie rankizy !Alaviro ! Alaviro !Zay voretra dia tsy izy !Alaviro ! Alaviro !Fahavalon’ny rano, be tsikoko sady kamo,Alaviro ! Alaviro !Raha maloto mampitsoaka !Alaviro ! Alaviro !Zay maloto ho voaroaka !Alaviro ! Alaviro !Ny maloto tsy ekena, ka ny loto horesena !Ka ny loto horesena,Ka nahoana ho’aho e !Ny maloto tsy ekena, ka ny loto horesena !Ka ny loto horesena !

Zay madio anie rankizy,Hianaro ! Hianaro !Tsy mba mampivazavaza,Hianaro ! Hianaro !Tena tsara sady soa, ‘reo kilonga mpankatò o !Hianaro ! Hianaro !Neny, Dada tsy sahirana !Mahafaly ! Mahafaly !Ny mpampianatra ho mirana !Hianaro ! Hianaro !Ho antsika izay mpianamana, ny madio no ndeha ho-tanana !Izay no tsara, izay no tsara a !Oeee … !

Fahadiovana

Ndao hanasa lamba e !E e aiza e ?Ndao hanasa lamba e !E e aiza e ?Ao avara-tanàna e !E e ndao e !Ao avara-tanàna e !E e ndao e !

Fa ny sasa lamba no mahasoa,Sy ny fahadiovana tokoa.Ataovy toy izao, koseho re ny lambanao !Ataovy toy izao, atòtòny re ny lambanao !Ataovy toy izao, akopay re ny lambanao !

Rehefa tsara sasa e izany lambantsika e,Tafio tsara tsisy tomika e !Lamba tamin’i Dada ô ô, lamba tamin’i Neny i iMadio tsisy pentina izy ireny !

Ny zaza hendry

Hendry ny zaza mahay miarahaba,Hendry ny zaza tsy tia tabataba,Hendry ny zaza madio isan’andro,Hendry ny zaza misasa sy mandro.Hendry ny zaza mipetraka tsara,Hendry ny zaza rehefa tsy tara,Hendry ny zaza mivavaka koa,Hendry ny zaza mpanao soa.

42

Azafady

Omeo, omeo foanaNo fanaon’ny saka.Na voky na noana,Dia tsy miambakavaka.Ny hahafantarana azyManitsy be izaoNo ataony fahazarana.Ny zaza hendry kosa,Dia kinga sy malady,Miteny tsy mba votsa,Manao azafady !

Rakoto

Ingahy Rakoto mpiompy hono e ! i a i a ôManana omby be dia be ! i a i a ôDia hoy izy hoe : “Man … ”Ingahy Rakoto mpiompy hono e ! i a i a ôManana gana be dia be ! i a i a ôDia hoy izy hoe : “gak … gak … gak”Ingahy Rakoto mpiompy hono e ! i a i a ôManana akoho be dia be ! i a i a ôDia hoy izy hoe : “ko … ko … ko”Ingahy Rakoto mpiompy hono e ! i a i a ôManana saka be dia be ! i a i a ôDia hoy izy hoe : “Miao … ”Ingahy Rakoto mpiompy hono e ! i a i a ôManana alika be dia be ! i a i a ôDia hoy izy hoe : “O … O … O”

Mihetsiketsika ny biby

Mihazakazaka, mihazakazaka ny alika kely,Mitsambikina, mitsambikina ny bitrokely,Mihanika hazo, mihanika hazo ny sakakely,Izy rehetra, izy rehetra tongotra efatra,Izy rehetra, izy rehetra tongotra efatra

Ny anatra

Ny anatra ekeo !Ny akoho raha maneno,Milaza fa maraina.Ka aoka ianao ho fenoZoto tsy malaina.

Ny amboa no mivòvò,Milaza aminao :Fa mety hisy koaMpangalatra ao ao.

Ny omby raha mimà,Milaza vizana izy,Ka aoka re zalahyHiala sasatra izy.

43

Dans mon joli pays

Dans mon joli pays malgache, olé !Dans mon joli pays malgache, olé !Y a le soleil, comme ça, (x4)Dans mon joli pays malgache, olé !Dans mon joli pays malgache, olé !Y a les montagnes, comme ça, (x4)Dans mon joli pays malgache, olé !Dans mon joli pays malgache, olé !Il y a la mer, comme ça, (x4)Dans mon joli pays malgache, olé !Dans mon joli pays malgache, olé !Y a les taureaux, comme ça, (x4)Dans mon joli pays malgache, olé !Dans mon joli pays malgache, olé !Y a les danseurs, comme ça, (x4)Dans mon joli pays malgache, olé !Dans mon joli pays malgache, olé !

Ny loharano

Ry loharano mamy,Avy aiza moa ianao ?Avy ao anaty tany,Midio ho vaovao.Ry rano mikoriana,Lazao izay entinao !Ny onjam-pitahiana,Hitsofan-drano anao !

Voasary lalao

Voasary lalao e,Ndeha isika hilalao e !Voasary lalao e,Ndeha isika hilalao e !Voasary lalao e, e e lahy eNdeha isika hilalao e !E e re roy e !Ndeha isika hilalao e !

Jereo anie

Ny zazavavy izay tena sondriana, jereo anie,Entanin’ny haingo, ny volo boriana ka mampiho-mehy : Ha … Ha !Na zazavavy izy na Ramatoa, dia asa anga,Fa miridiridy amin’ny pataloha, lamaodim-bazaha !Raha tena Malagasy ianao,Asaviho ny lambanao,Volo ataovy tàn’ivoho,Ny elonao ialofy koa,Moa tsy hanendrika anao e Ramatoa !La la la la la la,Ny zazalahy izay tena bôgôsy, jereo anie,Fa mitery kiho ary mangaro-paosy ka mampihome-hy : Ha … Ha !Na zazalahy izy na Andriamatoa dia mahavariana,Fa mikavin’ila, misarita-bolo, manadala an’izay tsy tia-na !Raha tena Malagasy ianao, asatrohy ny satrokao,Tsisy maharatsy ny malabary,Mi-zesta ianao rehefa maka sary,Mahazo ny tehaka ianao rehefa mikabary !La la la la la la,

Lambahoany

Lambahoanin’ny Madama tsy atakalony karama,Lambahoanin-dRamose, tsy atakalony complet,Ny mampiasa azy lalandava,Mandihiza re Sakalava … Lambahoanin’ny Madama tsy atakalony karama,Lambahoanin-dRamose, tsy atakalony complet,Ny mampiasa azy lalandava,Mandihiza re Sakalava …

44

Soamiditra

Zovy e andao hanao soamiditra,Soamiditra mantsy no ananana.Zovy e andao hanao soamiditra,Soamiditra mantsy no ananana.

Jereonareo ny fandihinay,Na ny sorokay na ny tananay,Zao no fandihin’ny kilonga ka tralala,

Zay manambara fa tia gasy fa tsy vazahaZao no fandihinay Dada ô !Manasa mba hilalao a,Vako-drazana no atao a !Zao no fandihinay Dada ô !Manasa mba hilalao a,Vako-drazana no atao a !

Couleur

Maintimainty ny voloko,Mangamanga ny masoko,Menamena ny molotro,Fotsifotsy ny nifiko,Fotsifotsy ny nifiko.

Razamany

Izaho no Razamany,Tsy misy tsy mahalala,Izao no tantarany,Ka aza mbola miala !Aoka Razamany e, aoka Razamany a ! (x3)Izaho no Razamany,Tsy misy tsy mahalala,’Ty lohako mila satroka,’Ty satroka mila loha e !Aoka Razamany e, aoka Razamany a ! (x3)

Izaho no Razamany,Tsy misy tsy mahalala,’Ty sofiko mila kavina,’Ty kavina mila sofina e !Aoka Razamany e, aoka Razamany a ! (x3)Izaho no Razamany,Tsy misy tsy mahalala,’Ty tratrako mila lobaka,’Ty lobaka mila tratra e !Aoka Razamany e, aoka Razamany a ! (x3)Izaho no Razamany,Tsy misy tsy mahalala,’Ty tongotro mila kiraro,’Ty kiraro mila tongotra e !Aoka Razamany e, aoka Razamany a ! (x3)Izaho no Razamany,Tsy misy tsy mahalala,’Ty soroko mila pôketra,’Ty pôketra mila soroka e !Aoka Razamany e, aoka Razamany a ! (x3)Izaho no Razamany,Tsy misy tsy mahalala,’Ty kiboko mila zipo,’Ty zipoko mila kibo e !Aoka Razamany e, aoka Razamany a ! (x3)Izaho no Razamany,Tsy misy tsy mahalala,’Ty vatako mila namana,’Ty namana mila vatana e !Aoka Razamany e, aoka Razamany a ! (x3)Izaho no Razamany,Tsy misy tsy mahalala,’Ty tanako mila hery,’Ty hery mila tanana !Aoka Razamany e, aoka Razamany a !

45

Bitrokely

Bitrokely feno volo,Bitrokely feno volo, Be dia be !Ao ambony, ao ambany,Ao aloha, ao aoriana,Bitrokely feno volo, Be dia be !

Mianatra manisa

Andao hilalao e !Inona àry no atao e ?Mianatra manisa re tsy hohambakain’ny gisa e !Dia inona no isaina ?’Zay rehetra mety ilaina, vatokely, tsaramaso, hazokely koa, marobe izy ireny ka samy mety avokoaIzany ve dia ho vita, tsy ho alina eto isika ?Diso hevitra ianao fa andeha atao kilalao !Kilalao mampiasa saina fa izay mahay tsy ambakaina, sa tianao ny hihomehezana, tsy mba misy iantehera-na ?Satriko mba hahay, tsy atao bado be, ‘reo kilalao fana-onay, manjary lakile !Ho fianarana manisaFangalam-piery sy tanisaTsianjery sy ny hiraAmpiasaina an-kirahira

‘Zahay CE

‘Zahay CE ! ‘Zahay CE !Vonona hianatra !‘Zahay CE ! ‘Zahay CE !Vonona hiana-desona !

MATEMATIKAMALAGASYFRANÇAISGEOGRAPHIEMATEMATIKAT. F. MTSIANJERYHIRASARY

Nankaiza ?

- Nankaiza ny renin-driko ?- Nankany amoron’ny ala.- Naninona amoron’ny ala ?- Nandevim-bilany bonaika.- Atao inona vilany bonaika ?- Akàna ranon-tsingala.- Atao inona ranon-tsingala ?- Anaovana lamba mena.- Atao inona lamba mena ?- Hotafian’ny zanak’andriana.- Andeha ho aiza ny zanak’andriana ?- Andeha hihaino kabary.- Ahoana ny kabarin’andriana ?Zay mangalatra hono gadraina,Zay mamono olona kosa vonoina !

46

Ny mandeha tongotra

Ny mandeha tongotra, tongotra, tongotra,Ny mandeha tongotra mahafinaritra.Ny mandeha bisikileta, bisikileta, bisikileta,Ny mandeha bisikileta, mahafinaritra.Ny mandeha môtô, môtô, môtô,Ny mandeha môtô mahafinaritra.Ny mandeha rôplana, rôplana, rôplana,Ny mandeha rôplana, mahafinaritra.Ny mandeha lamasinina, lamasinina, lamasinina,Ny mandeha lamasinina mahafinaritra.

Ny kintana

KintanaAndrandrao ny masonareo hijery irý kintana irýAndeha hovonointsika, ndao tokoaKosokosoka tain’ondrilahy,Voangilo, voan-tanantananaTanantanam-bazaha, feno doka,Nodokain’ilay mpanambaka.Maty ve ‘lay ratsy vintana o !“Tsy ambolana o !”Adry ! Madity lahy izy izany !

Ny zonay ankizy

Fiv.Omenareo ve ry DadaOmenareo ve ry NenyOmenareo ve ry Dada sy NenyNy zonay

Raha manoratsoratra izahay (in-2)Dia lazaina fa ratsy soratraRaha mba mantsaka izahay (in-2)Dia lazaina mamaky sinyRaha mba milalao izahay (in-2)Dia lazaina fa kamo mianatra

Ndeha hianatra izahay !

Ô i ô ! ‘ndeha hianatra izahay ! (in-2)Ny andronay tanoraNo andro mahamoraNy fianaranay‘Ndeha hianatra izahayÔ i ô ! ‘ndeha hianatra izahay ! (in-2)

Ô i ô ! ‘ndeha hihazakazaka (in-2)‘Zahay tsy mahalalaNy andro mamanala‘Zay manafana anayNy hazakazakayÔ i ô ! ‘ndeha hianatra izahay ! (in-2)

Mitsiky

Mitsiky no tena tiako indrindraMitsiky mahatsara ny tarehyMahatsara ny tarehyNy mihomehy

Sourire, c’est un mot que j’aimeSourire est un mot charmantPour être charmant, charmantSoyons souriants

47

TOVANA : Fifandraisana misy ao amin’ny vontoatin’ny fandaharana O ! O

sy ny vontoatin’ny fandaharam-pianarana vaovao

Votoatiny hita ao amin’ny fandaharana O ! O Votoatin’ny fandaharam-pianarana vaovao

Fandaharana :

1 (Ny tontolon’ny vakiteny), 2 (Ny fehezanteny), 3 (Ny teny), 4 (o I a), 5 (n t m), 6 (v y e), 7 ( r l s), 8 (h g d), 9 (j b k), 10 (p z f), [ 26, 27 (Manao lalao manodidina ny teny) ], 28 (Mamaky teny).

Ny feo sy ny litera• [ o; i, a, n, t ]• [ y, e, m, v, r ]• [ l, s, h, g; d ]• [ j, b, k, p, r, f ]

Fandaharana rehetra Fiteny mikasika ny :• Fifampiarahabana• Fampahafantarana

Fandaharana rehetra Eny / Tsia

Fandaharana :

1 (Ny mombamomba ny olona), 2 (Ny ankohonana), 3 (Ny havana).

Fiteny enti-maneho ny fampahafantarana :

• Ny tena• Ny namana• Ny olona

Fiteny enti-mangataka ny mombamomba ny olona iray :

• Enti-manontany• Fehezanteny manntany

Fandaharana :

2 (Tiako ny ankohonako ka hajaiko), 3 (Mifankahazo tsara amin’ny havako rehetra aho), 4 (Ampiako ny namako mba tsy hiharan-doza),

Ny fifandraisana

Fandaharana :

4 (Ampiako ny namako mba tsy hiharan-doza), 17 (Ny tontolo iainana an-tsekoly), 20 (Ny voaary),

Ny tontolo iainana

Fandaharana :

6 (Sady milalao no mianatra), 8 (Zo hahazo fanabeazana- adidy ny mianatra), 13(Milalao toy ny ankizy rehetra aho…), 15 (Ny fikojakojana ny vatana), 16 (Ny fitandrovana ny fananan-tsekoly)

Ny fahadiovana sy fikajiana ny tontolo iainana ; tia fahadiovana sy filaminana ateraka izany : ny fahasalamana

Fandaharana : 16, 17, 18, 19 [ 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10 ]

48

TOVANA : Takelaka fanomanana ny fanatontosana ny sahanasa

Lohahevitra :

Lohatenin’ny hira :

Sehatra ianarana :

Tanjona :

Faharetany, toerana, fotoana :

Fitaovana ilaina :

Dingana sy fitrandrahana :

Fanamarihana :

49

Conception et Rédaction Jean de Dieu Rakotonirina (Pédagogue)

Clément Razatovo (Inspecteur Pédagogue)Johary Randimbivololona ( Education UNICEF)

Contribution à la conception et à la finalisationAya Kibesaki (Education UNICEF)

Rodine Mary Rabosaona (Conseillère pédagogique) Ramananjato Fanantenana (Consultant UNICEF)

Auteurs - compositeurs Marie Roland Randrianifahanana

Francinet RatsimaholyDaniel Rakontondrasoa

Rajery

InterprètesFamille Razatovo Clément

Association KoloFamille Pasy

Rindra et compagnieGroupe Haleloia

Dessins

Lantonirina Andrianjakamanarivo (ALDR)

Conception GraphiqueChristiane Ramanantsoa

Lantonirina AndrianjakamanarivoHery Lalaina Razafimamonjiraibe

Rina Yvan Andrianandrasana

Sandrify ara-pedagôjia

« ‘Ndao isika hiara-hihira miaraka amin’ny O ! O »