Upload
others
View
14
Download
0
Embed Size (px)
Citation preview
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
1
MARK A. FINLEY
MANDRAY NY FANOMEZAN’NY FANAHY MASINA
10 ANDRO AO AMIN’NY EFITRANO AMBONY
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
2
LOHATENY
Fiarahabana .................................................................................................................................... 3
Andro 1 Fanelanelanana atao amin-kitsim-po tokoa ......................................................................... 9
Andro 2 Finoana lalina kokoa ....................................................................................................... 20
Andro 3 Fibebahana amin’ny fo tokoa............................................................................................ 31
Andro 4 Fiaiken-keloka marina ...................................................................................................... 39
Andro 5 Firaisana feno fitiavana ................................................................................................... 50
Andro 6 Fandinihan-tena................................................................................................................ 60
Andro 7 Sorona feno fahafoizan-tena ............................................................................................. 69
Andro 8 Fanoloran-tena feno fankatoavana .................................................................................... 78
Andro 9 Fankasitrahana feno fifaliana ............................................................................................ 85
Andro 10 Fijoroana vavolombelona mampihetsi-po ....................................................................... 95
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
3
FIARAHABANA
Miarahaba tonga soa amin’ny fivahiniana/diabe ara-panahy toa tsy mampino ao
amin’ny Efitrano Ambony. Manome toky anareo aho fa eo amin’ny toerana sahaza hanaovana
fitrandrahana/fikarohana ara-Baiboly maharavoravo indrindra eo amin’ny fiainanareo
hianareo. Mandritra ireo fianarana ireo dia hiara-hitrandraka ny fiomanana ilaina mba
handraisana ny herin’ny Fanahy Masina amin’ny fahafenoany rehetra isika. Hiara-handinika
ny toro-mariky ny Soratra Masina momba ny fandraisana ny Fanahy Masina isika sy ny
fomba hivelomana isan’andro ao amin’ny herin’ny Fanahy Masina.
Efa mba nanontany tena ve hianareo hoe nahoana ireo mpianatra no nanana finoana sahy
nihaika ny fahafatesana toy izany ? Inona no nanome azy ireo ny herim-po hitory ny
filazantsara hatrany amin’ny faran’ny tany na dia teo aza ireo toe-javatra mahaketraka toy
izany ? Nahoana izy ireo no tena hafa mihitsy taorian’ny Pentekosta ? Ny fanambarana feno
fireharehana nataon’i Petera dia niova ho fankatoavana feno fileferana sy fitoriana mahery
vaika. Ny fisalasalan’i Tomasy dia niova ho finoana mafy toy ny vatolampy. Jakoba sy Jaona,
zana-baratra, dia niova tanteraka ; tonga mpanompon’ny Tompo Jesosy feno fanetren-tena
izy ireo. Matio, ilay mpamory hetra kinga sy fetsy, dia tonga mpitantara mahatoky ny
filazantsara ; ary Maria, vehivavy ratsy laza, dia tonga tompon-dakan’ny hazo fijaliana, be
fitiavana sy mahatoky. Nitondra fahasamihafana mahery vaika teo amin’ny fiainan’izy ireo ny
Pentekosta – ary izany dia afaka hitondra fahasamihfana eo amin’ny fiainantsika ihany koa.
Feno ny herin’ny Fanahy Masin izy ireo ka nanova izao tontolo izao. Am-polo taonany vitsy
monja dia tonga hatrany amin’ny faran’ny fanjakana Romana ny Filazantsara.
Moa ve ho an’ireo mpianatra ireo ihany ny teny fikasan’i Jesosy momba ny Fanahy Masina ?
Moa ve voafetra ho azy ireo ihany ny fandrotsahana ny herin’ny lanitra ? Na, angamba,
manana zavatra homena antsika mihoatra noho izay azontsika eritreretina ve Andriamanitra ?
Raha niresaka momba ny teny fikasan’ny Pentekosta i Petera dia nanambara, « fa ny teny
fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an'izay rehetra lavitra, na iza na iza hantsoin'i
Jehovah Andriamanitsika hanatona Azy. » (Asan'ny Apostoly 2:39). Manamafy i Ellen White
fa ny fanomezana dia ho antsika koa.
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
4
Tsy nanova n teny fikasana nataon’i Kristy mialoha ny handehanany ny amin’ny handefasany
ny Fanahy Masina ho Solon-tenany tsy akory ny elanelam-potoana. Tsy noho ny famerana
avy amin’Andriamanitra tsy akory no tsy mampikoriana ankehitriny ny haren’ny fahasoavany
mankety an-tany ho an’ny olona. Raha tsy hita araka ny tokony ho izy ny fahatanterahan’ ny
teny fikasana dia satria tsy mbola ankasitrahana araka ny tokony ho izy izany. Raha manam-
paniriana an’izany ny rehetra, dia mety ho feno ny Fanahy. Na aiza na aiza andraisana ny
Fanahy Masina ho zavatra tsy heverina firy, dia ahitana hain-tany ara-panahy, haizina ara-
panahy, fihemorana sy fahafatesana ara-panahy. Na oviana na oviana ifantohan’ny saina
amin-java-madinika tsy misy antony, dia banga ny herin’Andriamanitraizay ilaina ho
fampitomboana sy ho fampiroboroboana ny fiangonana, ary hitondra ny fitahiana hafa rehetra
hanaraka azy na dia natolotra tamin’ny fahafenoany tsy voafetra aza izany (Vavolombelona
Mahery, p 45)
Ny Baiboly sy ny asa soratry ny fanomezam-pahasoavan’ny faminaniana amin’ny andro
moderina dia samy maneho mazava fa ny teny fikasana momba ny Fanahy Masina dia ho
antsika tsirairay avy. Maniry ny handrotsaka ny Fanahiny Masina amin’ny fiangonany
ankehitriny Andriamanitra. Tsy noho ny fisalasalana avy amin’Andriamanitra akory no tsy
nandrotsahana ny Fanahy Masina amin’ny herin’ny ranonorana farany hamitana ny asan’
Andriamanitra. Ny hany zavatra andrasan’ny lanitra eo amin’ny vahoakan’Andriamanitra dia
ny dingana ilaina handraisana ny herin’ny Fanahy Masina mba hanatanterahana ny iraka
lehiben’ny filazantsara.
Ato amin’ity boky itydia hitsidika indray ny Efitrano Ambony isika ary handinika amin’ny
fomba manokana ny fiomanana ilaina mba handraisana ny firotsahan’ny Fanahy Masina
amin’ny andro farany. Ny toko tsirairay dia ahitana fizarana telo miavaka tsara : Fandinihana
ny Toro-hevitr’Andriamanitra, Fisaintsainana momba ny Toro-hevitr’Andriamanitra, ary
Fampiharana ny Toro-hevitr’Andriamanitra. Handinika isika ny amin’ny fiomanana avy
amin’ny fo tokoa nataon’ny mpianatra mialoha ny nandraisany ny Fanahy Masina, sy
hisaintsaina ny amin’ny asa soratry ny Baiboly sy ny an’i Ellen White momba ny asa
fanompoan’ny Fanahy Masina, ary hampifandray izay zavatra ianarantsika avy amin’ny Teny
Tsindrimandry amin’ny fiainantsika rehefa mahavita ireo fizarana ao amin’ny boky isika. Ny
fivavahako, rehefa mandinika ity fitaovana ity hianareo, dia mba ho feno ny Fanahy Masina
amin’ny alalan’ny fanandramana manova fiainana. Mivavaka aho mba hanomezan’
Andriamanitra hery anareo ho tonga vavolombelony amin’izao fotoana izay ilàna fanapahan-
kevitra amin’ny tantaran’ny tany izao.
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
5
Nahoana moa no zava-dehibe ny Pentekosta ?
Ny andron’ny Pentekosta dia tena zava-dehibe indrindra teo amin’ny tantaran’ny Jiosy. Dimy
ambin’ny folo andro aorian’ny fankalazana ny Paska, dia nampahatsiaro ny fotoam-pijinjana
teo amin’ny fihodinan’ny taom-pambolena tany Palestina izany ary koa ny fanomezana ny
lalàna tao an-tendrombohitra Sinay dimy ambin’ny folo andro taorian’ny fahafahana izany.
Ho an’ny kristiana dia mampahatsiaro ny firotsahan’ny Fanahy Masina. Ny olona sasany dia
miantso ny ny Pentekosta hoe « fahaterahan’ny fiangonana kristiana ». Taorian’ny
nahafatesana sy nitsanganan’i Jesosy dia niseho tamin’ny mpianatra nandritra ny efapolo
andro Izy (Asa 1 :3). Namepetra azy Izy mba tsy hiala an’i Jerosalema mba handraisany ny
teny fikasana momba ny fandrotsahana amin-kery ny Fanahy Masina araka ny voambara
mialoha ao amin’ny Joela 3 :1. « Rehefa afaka izany dia handatsaka ny Fanahiko amin’ny
nofo rehetra Aho, hoy ny Mpamonjy. « Fa hahazo hery hianareo amin’ny hilatsahan’ny
Fanahy Masina aminareo , ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria
hatramin’ny faran’ny tany ( Asa 1 :8).
Amin’ny fahatsapana sy fanekena ny maha-zava-dehibe ny baikon’i Kristy dia nankato ireo
toro-marika nomeny ny mpianatra. Koa tao amin’ny Efitrano Ambony tao Jerosalema dia
nivavaka izy ireo, nibebaka ny amin’ny fahotany, niaiky ny tsy fahampian’ny finoany,
nampietry ny fony, ary nanolotra tanteraka ny fiainany nohavaozina hiasan’ny Fanahy
Masina. Tamin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mamariparitra ny amin’izay nitranga
nandritra ireo folo andro niarahan’izy ireo i Ellen White. « Taorian’ny niakaran’i Kristy dia
tafangona tamin’ny toerana iray ny mpianatra mba hanao fangatahana feno fanetren-tena
tamin’Andriamanitra. Ary rehefa afaka folo andro nanaovana fikatsahana lalina ny fony sy
fandinihan-tena, dia voaomana ny làlana hidiran’ny Fanahy Masina ao amin’ny tempoly
fanahy voadio, voatolotra tanteraka ho an’Andriamanitra » (Evangelism, p. 698)
Nanomboka ny fisiany tamin’ny fivavahana fangatahana ny Fanahy Masina ny fiangonana
kristiana voalohany. Teo amin’ny fahazazany izany fiangonana izany, tsy nisy ny fanatrehan’i
Kristy manokana. Mialoha indrindra ny hiakarany, no nibaikoan’i Kristy ny mpianatra hitory
ny filazantsara amin’izao tontolo izao.
Tamin’ny fankatoavana ny tenin’ny Tompony dia niverina nankany Jerosalema ny mpianatra,
ary nandritra ny folo andro dia nivavaka ho an’ny fahatanterahan’ny teny fikasan’
Andriamanitra izy ireo. Ireo folo andro ireo dia andron’ny fandinihana lalina ny fo. Navelan’
ny mpianatra ireo fahasamihafana rehetra nisy teo aminy ary nifanatona tamin’ny fisakaizana
kristiana izy ireo… Teo amin’ny fiafaran’ny folo andro dia nanatanteraka ny teny fikasany ny
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
6
Tompo tamin’ny fandrotsahana mahagaga ny Fanahiny. Rehefa « teo amin’ny toerana iray izy
rehetra » nivavaka sy nitalaho, dia tonga ny fitahiana nampanantenaina….
Inona no vokatry ny firotsahany Fanahy tamin’ny andro Pentekosta ? Nentina hatrany
amin’ny faritra lavitra indrindra nisy mponina ny vaovao mahafalin’ny Mpamonjy nitsangana
tamin’ny maty. Ny fon’ny mpianatra dia novesaran’ny asa an-tsitrapo feno, lalina, te-
hanakatra ny faritra lavitra indrindra, izay nanosika azy ireo handeha hatrany amin’ny
faran’ny tany.
Noho ny fahasoavan’i Kristy dia voamboatra araka izay naha-izy azy ireo apostoly.
Fanoloran-tena tamin-kitsim-po ary fivavahana feno fanetre-tena sy marina no nitondra azy
ireo tamin’ny fifandraisana ety taminy. Niara-nipetraka taminy tao amin’ny toerana any an-
danitra izy ireo. Nahatsapa ny ny halehiben’ny trosany taminy izy ireo. Tamin’ny fivavahana
marina sy naharitra dia nahazo ny hosotry ny Fanahy Masina izy ireo, koa dia nandeha izy
ireo, novesaran’ny enta-mavesatry ny famonjena fanahy, feno zotom-po hanitatra ny
fandresen’ny hazo fijaliana.
Dia ho latsaka noho ny an’ireo apostoly ve ny
fahalianantsika? Moa ve isika tsy hitaky amin’ny finoana velona ny teny fikasana izay
nanetsika azy ireo hatrany anatin’ny tenany lalina mba hangataka amin’ny Tompo Jesosy ny
fanatanterahany ny teniny manao hoe, « Mangataha dia homena hianareo » (Jaona 16 :24) ?
Moa ve ny Fanahy Masina tsy ho tonga ankehitriny ho valin’ny fivavahana amin-kitsim-po sy
maharitra ka hameno ny olona amin-kery ? (In Heavenly Places, p. 333)
Ny 10 Andro Ao Amin’ny Efitra Ambony dia nomanina mba ho setrin’ny toro-hevitra avy
amin’Andriamanitra. Ny iraka lehibe dia narahin’ny teny fikasana lehibe. Ny andraikitra
fitoriana ny filazantsara manerana izao tontolo izao amin’izao taranaka ankehitriny izao dia
toa tsy azo tanterahina, nefa Andriamanitra dia Andriamanitry ny zavatra tsy
azon’olombelona tanterahina. Rehefa mirotsaka amin’ny fahafenoan’ny heriny ny Fanahy
Masina, dia ho voatohina ny fo, ho voaova ny fiainana, ary hiely ny hafatry ny fahamarinan’
Andriamanitra ho an’ny andro farany toy ny afo mandoro ny tanety. Ireo zanantsika lahy sy
vavy izay nisaraka tamin’i Jesosy dia hiverina ao an-trano. Ireo nihemotra dia hiverina
amin’Andriamanitry ny fahazazany. Halefaka ireo fo mafy ary hisokatra ny saina nihidy. Ireo
tany nanohitra ny filazantsara dia ho tonga saha lonaka amin’ny fandraisana ny
fahamarinan’Andriamanitra . Ny tany dia « hohazavain’ny voninahiny » (Apokalypsy 18 :1).
Ho vita ny asan’Andriamanitra eto an-tany ary dia ho avy Jesosy.
Nahoana Andriamanitra no nampidina ny herin’ny lanitra ?
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
7
Nampidinina ny herin’ny lanitra tamin’ny pentekosata noho ny antony lehibe anankiroa.
Voalohany, tongan y fotoana. Narotsaka tamin’ny mpianatra ny Fanahy Masina mba ho
fanamafisana fa nekena tany an-danitra ny fanatitra nataon’i Kristy. Izao Izy dia ankalazaina
amin’ny maha-Mpamonjintsika sy Tompo Azy. Nanazava izany tamin’ny toriteniny tamin’ny
Pentekosata i Petera raha nanambara nanao hoe, « rehefa nasandratry ny tànana an-kavanan’
Andriamanitra Izy, ary nandray tamin’ny Ray ny Fanahy Masina Izay nokasainy, dia efa
nampilatsaka izao hitanareo sy renareo izao Izy » (Asa 2 :33).
Ny fidinan’ny Fanahy Masina dia fanambarana avy tamin’Andriamanitra fa ireo mpianatra
dia nanana Sakaiza teo amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra Izay hanome hery azy ireo
isan’andro hamitana ny iraka nampanaoviny. Nipaika ny ora teo amin’ny fandaharam-
potoanan’ny lanitra ka dia nampidinina tamin’ny heriny rehetra ny Fanahy Masina. « Tapa-
kevitra Kristy fa hanolotra fanomezana ho an’ireo izay niaraka taminy sy ireo izay mino Azy
satria izany no fotoana niakarany sy nanaovana fanokafana ary fifaliana lehibe tany an-
danitra. Inona moa no fanomezana sarobidy indrindra azon’i Kristy omena mba hanamarihana
sy hanasoavana ny fiakarany eo amin’ny seza fiandrianana fanaovana fanelanelanana? Tsy
maintsy zavatra mendrika ny fahalehibiazany sy ny fiandrianany izany. Nanome ny solon-
tenany i Kristy, dia ny Olona fahatelo amin’Andriamanitra, ny Fanahy Masina. Tsy misy
fanomezana lehibe mihoatra noho izany » (Christ Triumphant, p. 301).
Ny antony faharoa nandrotsahana ny Fanahy Masina dia satria nahafeno ny fepetra ny
mpianatra. Nisy zavatra mahagaga niseho nandritra ireo folo andro tao amin’ny Efitrano
Ambony izay nanomana azy ireo handray ny Fanahy Masina amin’ny fahafenoany rehetra.
Tamin’ny taon-jato voalohany dia nandray ny herin’ny Fanahy Masina ny mpianatra mba
hanombohana ny fampielezana ny hafatry ny filazantsara. Ny fiangonan’Andriamanitra
amin’ny andro farany dia handray ny fahafenoan’ny herin’ny Fanahy mba hamitana ny
fitoriana ny filazantsara amin’izao tontolo izao.
Tonga ny fotoana. Nipaika ny ora. Miantso ny fiangonany ankehitriny ny Tompontsika mba
hameno ny fepetra. Ny fandinihana amim-pitandremana ny Baiboly sy ny asa soratr’i Ellen
White dia maneho ny fanandraman’ny mpianatra nandritra ireo folo andro tao amin’ny
efitrano ambony. Nikatsaka ny fanavaozana ny fanandramany izy ireo tamin’ny alalan’ireto
asa manaraka ireto:
1. Fanelanelanana tamin-kitsim-po
2. Finoana lalilna kokoa
3. Fibebahana tamin’ny fo tokoa
4. Fiaiken-keloka marina
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
8
5. Firaisana feno fitiavana
6. Fandinihan-tena
7. Fanetren-tena feno fahafoizan-tena
8. Fanoloran-tena feno fankatoavana
9. Fanomezana feno fifaliana
10. Fijoroana vavolombelona mampihetsi-po
Eo amin’ny fizarana « Fandinihana ny Toro-hevitr’Andriamanitra », dia handinika ny
anankiray amin’ireo hatsaran-toetra isika isaky ny toko ary hametraka ireto fanontaniana
fototra ireto :
1. Amin’ny fomba ahoana no ahazoako manomana ny foko handray ny fahafenoan’ny
herin’ny Fanahy Masina ?
2. Misy zavatra ve eo amin’ny fiainako izany misakana ny firotsahan’ny Fanahy
Masina ?
3. Afaka manome ahy ny herin’ny Fanahiny Masina ve Andriamanitra ?
4. Vonona ve ny foko handray ny ranonorana farany nampanantenaina ?
Raha miara-mandinika ireo loha-hevitra ireo isika, dia hahatsapa ny tenanareo ho voasintona
bebe kokoa akaiky ny Mpamonjy hianareo. Raha manokatra ny fonareo isan’andro ho
amin’ny hery miasa manginan’ny Fanahy Masina hianareo dia hanana fanandamana ety
kokoa hatrany miaraka amin’i Jesosy. Hameno ny fiainanareo vaovao ny herin’ny Fanahy
Masina. Ny batisan’ny Fanahy Masina dia tsy zavatra tadiavina indray mandeha, na
fanandramana be voninahitra andrandraintsika amin’ny ho avy. Ny famenoana amin’ny
Fanahy Masina dia fanandramana katsahintsika isan’andro. « Tokony handefa fangatahana
isan’andro amin’Andriamanitra ny mpiasa tsirairay mba handriasany ny batisan’ny Fanahy
isan’andro. Tokony hivory hangataka ny fanampiana manokana sy ny fahendrena avy any an-
danitra ny fikambanan’ny kristiana mba hahafantarany izay drafitra hatao sy hanatanterahany
izany amim-pahendrena » (Vavolombelona Mahery, p. 46).
Enga anie hianareo hanao fanandramana ny amin’ny herin’ny Fanahy Masina vaovao eo
amin’ny fiainanareo raha mandinika ireto pejy ireto, ary enga anie ny fonareo hisokatra ka
handray ny zavatra rehetra omanin’Andriamanitra ho an’ny fiangonany ankehitriny.
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
9
ANDRO VOALOHANY
FANELANELANANA AMIN-KITSIM-PO
Ny vavaka no fon’ny asa fanompoan’ny mpianatra nandritra ny fanehoany ny finoany ao
amin’ny bokin’ny asan’ny Apostoly. Nivory nandritra ny folo andro izy ireo ary nikatsaka
tamin-kitsim-po ny Fanahy Masina nampanantenaina. Taorian’ny nirotsahan’ny Fanahy
Masina, tao anatin’ny indray andro monja dia telo arivo ny olona niova fo vao nanampy ho
isany. « Ary izy ireo naharitra tamin’ny fampianaran’ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny
famakiana ny mofo ary ny fivavahana » (Asan’ny Apostoly 2 :42). Rehefa niatrika ireo
sakantsakana mahaketraka ireo mpianatra dia niantso Ilay Sakaizany tsara indrindra, Jesosy,
Izay nijoro teo an-tànana an-kavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra, ary « nihovitrovitra
ny trano izay niangonany, dia feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny
tenin’Andriamanitra tamin’ny fahasahiana » (Asan’ny Apostoly 4 :31). Vetivety foana dia
nifidy diakona ilay fiangonana voalohany mba hahazoan’ny apostoly manolo-tena « haharitra
amin’ny fivavahana sy ny fampianarana » (Asa 6 :4). Rehefa nampiditra an’i Petera tany am-
ponja i Heroda, dia nanao vavaka fanelanelanana ny fiangonana iray manontolo, ka dia
tafavoaka ny fonja tamin’ny fomba mahagaga ny apostoly (Asa 12).
Ny fanandraman’ny fivavahana tao amin’ny Efitrano Ambony dia nanokatra fiainam-bavaka
ho an’ny asa fanompoan’ny mpianatra manontolo. Tamin’ny alalan’ny vavaka no
nampivelaran’izy ireo fo feno fahatokiana. Tamin’ny alalan’ny vavaka no nanorenan’izy ireo
fihetsika miankina tanteraka amin’Ilay Tsitoha. Tamin’ny alalan’ny vavaka no naneken’izy
ireo ny fahalemen’ny tenany sy nikatsahany ny herin’Andriamanitra. Tamin’ny alalan’ny
vavaka no nanekeny ny tsy fahalalany sy nikatsahany ny fahendren’Andriamanitra. Nanaiky
an-karihary ny maha-voafetra azy ny mpianatra ary nangataka ny herin’Andriamanitra feno
sady ampy. Nahatsapa izy ireo fa tsy hahatratra na oviana na oviana izao tontolo izao amin’ny
filazantsara raha tsy misy ny fanatrehana sy ny herin’ny Fanahy masina miasa amin’ny
alalan’izy ireo. Ny Pentekosta dia vokatry ny fanelanelanana natao tamin’ny fo tokoa.
Vavaka : Fantson’ny fitahiana
Amin’ny alalan’ny vavaka ihany koa isika dia manokatra ny fontsika ho amin’ny zavatra
rehetra omen’i Jesosy antsika. Mamelatra ny fanahintsika mihanjahanja mba handray ny
fahafenoan’ny heriny isika. « Ny fivavahana dia famborahana ny fo amin’Andriamanitra toy
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
10
ny amin’ny sakaiza tiana indrindra. Tsy maintsy atao izany, tsy noho ny mba hampahafantatra
an’Andriamanitra ny toetsika fa mba hahatonga antsika ho afaka handray Azy. Ny fivavahana
dia tsy mampidina an’Andriamanitra ho aty amintsika fa mampiakatra antsika ho any Aminy
kosa » (Ny Dia Ho Eo Amin’i Kristy, p. 110). Amin’ny fifandraisana salama rehetra dia misy
faniriana te-hifampiresaka amin’ny olona ifandraisana. Ny fivavahana dia manokatra ny
fontsika mba hiresaka amin’Andriamanitra tahaka izay ataontsika amin’ny sakaiza akaiky
antsika na namana. Ny Efitrano Ambony dia toerana fifandraisana/firesahana amin’
Andriamanitra, toerana izay nivavahan’ny mpianatra isam-batan’olona ary niraisany tamin’ny
vavaka iombonana. « Nivory izy mba hitondra ny fangatahany teo amin’ny Ray amin’ny
anaran’i Jesosy. Fantany fa nanana Solon-tena any an-danitra izy, Mpisolovava eo
anatrehan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra. Niondrika nivavaka tamim-panajana fatratra
izy namerina ny toky hoe, « na inona na inonahangatahinareo amin’ny Rat dia homeny anareo
amin’ny anarako izany. Mandraka ankehitriny dia tsy mbola nangataka na inona na inona
tamin’ny anarako hianareo; mangataha dia hahazo hianareo ; mba ho tanteraka ny fifalianareo
(Jaona 16 : 23, 24). Nisandratra ho ambony kokoa hatrany ny tànan’ny finoana, notohanan’ny
laha-kevitra mahery hoe, ‘Kristy Jesosy no efa maty, eny sady nitsangana tamin’ny maty koa
ka mitoetra eo amin’ny tànana an-kavanan’Andriamanitra ary mifona ho antsika’ »
(Vavolombelona Mahery, p. 33, 34).
Isika koa dia manana Solon-tena any an-danitra Izay manasa antsika hitondra ny entantsika
mavesatra ho eo Aminy. Manana Sakaiza eo amin’ny seza fiandrianana’Andriamanitra isika
izay mamporisika antsika haneho ny fanirian’ny fontsika eo Aminy. Isika koa dia afaka
mitaky ny teny fikasany. Isika koa dia afaka manandratra ny tànan’ny finoantsika ho ambony
kokoa hatrany. Isika koa dia afaka mangataka Azy mba hampidina amintsika ny
fanomezan’ny lanitra sarobidy indrindra dia ny Fanahy Masina. Manasa antsika Izy hanatona
ny seza fiandrianana ankehitriny mba hitaky ireo teny fikasana sarobidy.
Eo amin’ny fifanandrinana lehibe eo amin’ny tsara sy ny ratsy, ny vavaka no fiadiana mahery
vaika handresena ny fahavalo. Ny anankiray amin’ny fitsipika fototra eo amin’ny tontolo
noforonin’Andriamanitra dia ny fahalalahan’ny safidy. Tsy hanery ny sitrapontsika na oviana
na oviana Andriamanitra. Tsy hampiasa antsika toy ny saribakoly hanompo Azy Izy. Na dia
miasa amin’ny fiainantsika isan’andro aza Izy, mamporisika antsika amin’ny alalan’ny
Fanahiny mba hanao safidy tsara, dia voafetran’ny safidintsika ny fidirany an-tsehatra eo
amin’ny fiainantsika. Rehefa mandohalika eo anatrehany amin’ny fivavahana isika dia manaja
ny safidintsika mba hidirany an-tsehatra amin’ny fiainatsika amin’ny fomba feno kokoa Izy.
Mamporisika antsika ny Fanahiny ary mandresy lahatra antsika mialohan’ny hivavahantsika,
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
11
kanefa ny Fanahiny dia tsy hameno antsika na hanome hery antsika na oviana na oviana raha
tsy efa mivavaka isika.
Amim-pivavahana be dia vakio ny Soratra Masina sy ny andalan-tsoratr’i Ellen White eto
ambany. Takio izy ireny ho an’ny tenanano manokana. Ento eo amin’ny Tompo ireny teny
fikasan’Andriamanitra ireny, amin’ny finoana fa hanatanteraka ny teniny Izy.
Teny Fikasan’Andriamanitra
« Koa raha hianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo,
tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahiny Masina ho an’izay
mangataka Aminy ? » (Lioka 11 :13)
« Ary Izaho hangataka amin’ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho
eo aminareo mandrakizay » (Jaona 14 : 16)
« Fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako, Izy
ny hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra
izay nolazaiko taminareo » (Jaona 14 :26)
« Mangataha dia homena hianareo ; mitadiava dia hahita hianareo ; dondony dia
hovohana hianareo. Fa izay rehetra mangataka no mahazo ; ary izay mitady no
mahita ; ary izay mandondona no hovohana » (Matio 7 : 7, 8)
« Feno hazavana sy hery ny lanitra, ary afaka maka amin’izany isika raha tiantsika.
Andriamanitra dia miandry ny handrotsaka ny fitahiany amintsika raha vao manatona
akaiky Azy isika ka mamikitra amin’ny teny fikasany amin’ny finoana velona. Milaza
Izy fa maniry lavitra hanome ny Fanahiny Masina ho an’izay mangataka Aminy Izy
mihoatra noho ny raiamandreny te-hanome zava-tsoa ny zanany. Ho tazonintsika
amin’ny teniny ve Izy ? » (Historical Sketches, p. 152)
« Tsy nanova n teny fikasana nataon’i Kristy mialoha ny handehanany ny amin’ny
handefasany ny Fanahy Masina ho Solon-tenany tsy akory ny elanelam-potoana. Tsy
noho ny famerana avy amin’Andriamanitra tsy akory no tsy mampikoriana ankehitriny
ny haren’ny fahasoavany mankety an-tany ho an’ny olona. Raha tsy hita araka ny
tokony ho izy ny fahatanterahan’ ny teny fikasana dia satria tsy mbola ankasitrahana
araka ny tokony ho izy izany. Raha manam-paniriana an’izany ny rehetra, dia mety ho
feno ny Fanahy. Na aiza na aiza andraisana ny Fanahy Masina ho zavatra tsy heverina
firy, dia ahitana hain-tany ara-panahy, haizina ara-panahy, fihemorana sy fahafatesana
ara-panahy. Na oviana na oviana ifantohan’ny saina amin-java-madinika tsy misy
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
12
antony, dia banga ny herin’Andriamanitraizay ilaina ho fampitomboana sy ho
fampiroboroboana ny fiangonana, ary hitondra ny fitahiana hafa rehetra hanaraka azy
na dia natolotra tamin’ny fahafenoany tsy voafetra aza izany (Vavolombelona Mahery,
p 45)
« Isa-maraina isa-maraina, raha mandohalika eo anatrehan’ny Tompo ireo mpitondra
hafatry ny filazantsara ka manavao ny voadin’ny fanoloran-tena Aminy, dia homeny
azy ny fanatrehan’ny Fanahiny, amin’ny hery mamelombelona sy manamasina.
Rehefa mandeha hanao ny andraikiny isan’andro izy, dia manana toky fa ny herin’Ilay
Iraka tsy hita maso dia mahatonga azy ho « mpiara-miasa amin’Andriamanitra »
(Vavolombelona Mahery, p. 50-51)
« Nefa rehefa akaiky ny fiafaran’ny fijinjana ny tany dia hisy fanomezana manokana
ny fahasoavana ara-panahy nampanantenaina, izay hanomana ny fiangonana ho
amin’ny fihavian’ny Zanak’olona. Ampitoviana amin’ny filatsaky ny ranonorana
aoriana io firotsahan’ny Fanahy io ; ary io fanampin-kery io no tokony handefasan’ny
kristiana fangatahana amin’ny Tompon’ny vokatra amin’ny « andro fara-orana ». Ho
valin’izany dia « handatsaka … ny loha-orana sy ny fara-orana aloha »
(Vavolombelona Mahery, p. 49)
Velona amin’ny fotoana manokana eo amin’ny tantaran’ny olombelona isika. Ny lanitra
manontolo dia manasa antsika hamikitra amin’ny teny fikasan’Ilay Tsitoha. Maniry fatratra
Andriamanitra hanao zavatra manokana ho an’ny fiangonany ankehitriny. Manasa antsika Izy
hitady Azy amin’ny fontsika rehetra mba handray ny Fanahiny Masina amin’ny fara-orana
mba hamitana ny asany eto an-tany. Hitaky ny teny fikasany amim-pivavahana be ve hianao ?
Hamporisika ny hafa hiaraka aminao amin’ny fangatahana ny firotsahan’ny Fanahy Masina
ve hianao? Handamina ny laharam-pahamehanao ve hianao ka handany fotoana bebe kokoa
miaraka amin’i Jesosy amin’ny fivavahana?
Fizarana faharoa :
Misaintsaina ny amin’ny Toro-hevitr’Andriamanitra
Amim-pisaintsainana lalina dia vakio Ilay Fitiavana Mandresy, p. 721-726
Talohan’ny nanolorany ny tenany ho fanatitra atao sorona, dia nitady ny fanomezana feno
indrindra sy ilaina indrindra Kristy homena ny mpanaraka Azy, dia ny fanomezana izay
ahazoany mahatratra ireo loharanom-pahasoavana tsy misy fetrany. « Izaho hangataka
amin’ny Rat, hoy Izy, hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, dia
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
13
ny Fanahin’ny fahamarinana, Izay tsy azon’izao tontolo izao ho raisina satria tsy hitany na
fantany ; fa hianareo no mahafantatra Azy satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao
anatinareo. Tsy hamela anareo ho kamboty Aho, hankaty aminareo Aho »(Jaona 14 : 16-18)
Efa teo amin’izao tontolo izao ny Fanahy Masina talohan’izao ; hatramin’ny nanombohana
mihitsy ny asan’ny fanavotana dia efa nampihetsika ny fon’ny olona Izy. Nefa raha teto an-
tany i Kristy dia tsy naniry hanana mpanampy hafa ny mpianatra. Tsy ho tsapany ny ilàny ny
Fanahy raha tsy efa nalàna taminy ny fanatrehan’i kristy, koa dia ho avy ny Fanahy
amin’izay.
Solon-tenan’i Kristy ny Fanahy Masina, nefa tsy mitafy ny endriky ny maha-olombelona, ary
noho izany tsy miankina aminy. Voatsembatsemban’ny maha-olombelona Kristy, ka tsy afaka
ho eo amin’ny toerana rehetra ny tenany. Noho izany dia tombon-tsoa ho azy ireo ny
handehanany ho any amin’ny Ray ka handefasany ny Fanahy Masina ho mpandimby Azy eto
an-tany. Amin’izay dia tsy hisy hahazo tombon-tsoa noho ny toerana misy azy na noho ny
fifandraisany manokana amin’i Kristy. Azon’ny rehetra hatonina ny Mpamonjy amin’ny
alalan’ny Fanahy. Amin’io lafiny io doa ho akaiky azy kokoa Izy noho ny raha tsy niakatra ho
any an-danitra.
« Ary izay tia Ahy no tian’ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy ». Nmamky ny ho
avin’ny mpianany Jesosy. Hitany ny iray entinaeo amin’ny lampihazo famonoana olona, ny
iray entina ho eo amin’ny hazo fijaliana, ny iray entina hatao sesi-tany eny amin’ny
harambato mangina any an-dranomasina, ny hafa henjehina sy ho vonoina. Nampahery azy
tamin’ny teny fikasana Izy fa hiaraka aminy amin’ny fitsapana rehetra. Tsy misy very ny
herin’io teny fikasana io. Fantatry ny Tompo avokoa izay rehetra mikasika ny mpanompony
mahatoky izay mandry any an-tranomaizina noho ny anarany na natao sesitany any amin’ny
nosy manirery. Mampahery azy amin’ny fanatrehan’ny tenany Izy. Rehefa mijoro manoloana
ny fitsaran’ny ratsy fanahy ny mpino noho ny fahamarinana dia mijoro eo anilany Kristy. Ny
fanomezan-tsiny rehetra mianjady aminy dia mianjady amin’i Kristy. Melohina indray Kristy
ao amin’ny tenan’ny mpianany. Rehefa misy ahiboka ao anatin’ny rindrin’ny tranomaizina,
dia mampiravoravo ny fo amin’ny fitiavany Kristy. Rehefa misy miaritra ny fahafatesana
noho ny Aminy, dia hoy Kristy : « Izaho … Ilay velona ; efa maty Aho nefa indro velona
mandrakizay mandrakizay, sady manana ny fanalahidin’ny fahafatesana sy ny fiainan-tsy
hita ». Ny fiainana izay atao sorona ho Ahy dia voatahiry ho amin’ny voninahitra
mandrakizay.
Amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra, amin’ny alahelo rehetra sy ny fahoriana
rehetra, rehefa toa maizina ny fanombatombanana ny ampitso ka mahavery hevitra ny ho avy,
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
14
ary rehefa mahatsapa ho malemy sy irery isika, dia halefa ny Mpananatra ho valin’ny
fivavahan’ny finoana. Mety mampisaraka antsika amin’ny sakaiza rehetra eto an-tany ny toe-
javatra, nefa tsy mmisy elanelan-tany afaka mampisaraka antsika amin’Ilay
Mpanavotra avy any an-danitra. Na aiza na aiza misy antsika, na aiza na aiza alehantsika, dia
eo an-kavanantsika mandrakariva Izy hanampy, hanohana, hihazona ary hamalifaly.
Mbola tsy azon’ny mpianatra ny dikan’ny tenin’i Kristy amin’ny lafiny ara-panahy, koa
nohazavainy indray ny dikany. Amin’ny alalan’ny Fanahy, hoy Izy, no hisehoan’Izy tenany
aminy. « Fa ny Mpananatra, Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako, Izy no hampianatra ny
zavatra rehetra ». Tsy hiteny intsony hianareo hanao hoe : Tsy azoko. Tsy hijery ntsony
amin’ny fitaratra hianareo ka hahita maizimaizina. « Ho hainareo mbamin’ny oloa masina
rehetra ny hahafantatra tsara izay sakany sy lavany ary hahavony, sy halaliny, ary hahalala ny
fitiavan’i Krisy izay mihoatra ny fahalalana » Efasiana 3 : 18, 19.
Tokony hijoro vavolombelon’ny fiainana sy ny asan’i Kristy ny mpianatra. Amin’ny
alalan’ny teniny dia tokony hiteny amin’ny olona rehetra eo amin’ny vohon’ny tany izy.
Hizaka fitsapana sy fahadisoam-panantenana be anefa izy amin’ny fietrena sy ny fahafatesan’i
Kristy. Mba ho marina ny teniny aorian’io fanandramana io, dia nampanantena Jesosy fa
« hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo ny Mpananatra ».
« Mbola manana zavatra maro holazaina aminareo Aho, hoy Izy nanohy, nefa tsy zakanareo
ankehitriny. Fa raha tonga ny Fanahin'ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo ho
amin'ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny
zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo. Izy hankalaza Ahy; fa handray avy amin'ny Ahy
Izy ka hanambara izany aminareo». Faritra midadasiky ny fahamarinana no efa novelarin’i
Jesosy teo imason’ny mpianany. Sarotra tamin’izy ireo indrindra anefa ny hampiavaka tsara
hatrany ny lesony amin’ny lovan-tsofina sy ny ohabolan’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo.
Efa nobeazina izy ireo hanaiky ny fampianaran’ny raby ho toy ny feon’Andriamanitra, ka
mbola nanan-kery tamin’ny sainy, sy namolavola ny toe-pony izany. Ny hevitra araka izao
tontolo izao, ny zavatra ara-nofo, dia mbola nanana toerana lehibe teo amin’ny sainy. Tsy
azony ny maha-ara-panahy ny fanjakan’i Kristy na dia efa nohazavainy matetika taminy aza.
Nanjary nikorontana ny sainy. Tsy azony ny tombam-bidin’ny Soratra Masina nasehon’i
Kristy. Betsaka ny lesona nataony toa very foana taminy. Hitan’i Jesosy fa tsy namikitra
tamin’ny tena dikan’ny teniny marina izy. Tamim-pangorahana no nampanantenainy fa
hamerina ireny teny ireny ao an-tsainy ny Fanahy Masina. Ary betsaka no zavatra navelany
tsy ho voalaza izay tsy mety ho azon’ny mpianatra. Ireny koa dia ho velarin’ny Fanahy eo
anatrehany. Hampahazava ny sainy ny Fanahy, mba hahazoany mahafantatra ny zavatra
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
15
mikasika ny lanitra. «Fa raha tonga ny Fanahin’ny fahamarinana, hoy Jesosy, dia Izy no
hitarika anareo ho amin’ny marina rehetra ».
Antsoina hoe « Fanahin’ny fahamarinana » ny Mpananatra. Mampiorina sy mihazona ny
fahamarinana no asany. Mitoetra ao am-po amin’ny maha-Fanahin’ny fahamarinana Azy Izy
aloha, ary amin’izay dia manjary Mpananatra Mpampionona. Misy fampiononana sy
fiadanana ao amin’ny fhamarinana, fa tsy misy tena fiadanana na fampiononana marina mety
ho hita ao amin’ny lainga. Hevitra sy lovan-tsofina diso no netin’i Satana ahazoany ny
fahefany amin’ny saina. Notarihiny ho amin’ny tarigetra diso ny olona ka nosimbany ny
endriky ny toetra amam-panahiny. Miteny amin’ny saina ka mandatsaka lalina ny
fahamarinana ao am-po ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny Soratra Masina. Amin’izany dia
mampiharihary ny hevi-diso Izy ka mandroaka izany tsy ho ao amin’ny fanahy. Amin’ny
alalan’ny Fanahin’ny fahamarinana izay miasa amin’ny alalan’ny tenin’Andriamanitra no
ampileferan’i Kristy ny vahoaka nofidiny ho amin’ny tenany.
Rehefa nilazalaza tamin’ny mpianany ny asan’ny Fanahy Masina i Jesosy dia niezaka Izy
hampiseho taminy ny fifaliana sy ny fanantenana izay nameno ny fony. Naharavoravo azy ny
fanampiana be dia be efa nomaniny ho an’ny fiangonany. Ny Fanahy Masina no ambony
indrindra amin’ny fanomezana rehetra azony nangatahina tamin’ny Rainy ho ho fanandratana
ny vahoakany. Homena ny Fanahiny Masina hiasa ho famelombelomana, ary rha tsy Izy dia
tsy hisy vokany ny sorona nataon’i Kristy. Efa nitombo hery nandritra ny taonjato maro ny
herin’ny ratsy, ary nahagaga ny fileferan’ny olona tamin’ny famaboana nataon’i Satana. Tsy
toherina sy resena ny fahotana raha tsy amin’ny alalan’ny fiasa maherin’Ilay Persona fahatelo
amin’ny firaisan’Andriamanitra, Izay tsy ovana ny heriny raha ho avy Izy, fa amin’ny
fahafenoan’ny herin’Andriamanitra no hiaviany. Ny Fanahy no mampisy vokany izay efa
notanterahin’ny Mpanavotra an’izao tonotlo izao. Ny Fanahy no mampadio ny fo. Amin ‘ny
alalan’ny Fanahy dia manjary mpiray amin’ny fomban’Andriamanitra ny mpino. Nomen’i
Kristy ny Fanahiny amin’ny maha-herin’Andriamanitra azy ho enti-mandresy ny fironana
rehetra ho amin’ny ratsy nolovaina sy nokolokoloina, sy handatsaka lalina ny toetra ama-
panahiny amin’ny fiangonany.
« Izy hankalaza Ahy », hoy Kristy momba ny Fanahy. . Tonga hankalaza ny Ray ny
Mpamonjy tamin’ny fanehoany ny fitiavany ; toy izany koa ny Fanahy hankalaza an’i Kristy
amin’ny fanehoana ny fahasoavany amin’izao tontolo izao. Ny endrik’Andriamanitra
indrindra dia tokony hifindra eo amin’ny taranak’olombelona. Voafaoka ao amin’ny
fahatanterahan’ny toetra amam-panahin’ny vahoakany ny voninahitr’Andriamanitra sy ny
voninahitr’i Kristy.
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
16
« Ary raha tonga Izy (ny Fanahin’ny fahamarinana), dia hampiaiky izao tontolo izao ny
fahotana sy ny fahamarinana ary ny fitsarana ». Tsy hisy vokany ny fitoriana ny teny raha tsy
misy ny fanatrehana sy nyn fanampiana mitohin’ny Fanahy Masina. Io ihany no
Mpampianatra mahomby ny amin’ny fahamarinan’Andriamanitra. Rehefan arahin’ny Fanahy
ao am-po ihany ny fahamarinana vao hamelombelona ny feon’ny fieritreretana na hanova ny
fiainana. Mety misy afaka hampiseho ny tenin’Andriamanitra amin’ny maha-soratra azy,
mety hifankazatra amin’ny didiny sy ny teny fikasany rehetra ; nefa raha tsy mampitoetra ny
fahamarinana ny Fanahy Masina, dia tsy hisy fanahy hiantoraka eo amin’Ilay Vatolampy ka
ho torotoro. Tsy misy fanabeazana na tombon-tsoa miavosa , na be toy inona aza, mahavita
fantsona tokana mitondra hazavana raha tsy misy firaha-miasa amin’ny
Fanahin’Andriamanitra . Tsy hisy fahombiazana ny famafazana ny voan’ny Filazantsara raha
tsy velomin’ny andon’ny lanitra hanana aina ny voa. Raha tsy mbola nisy boky Testamenta
Vaovao nosoratana, raha tsy mbola nisy toriteny iry natao momba ny filazantsara taorian’ny
niakaran’i Kristy tany an-danitra, dia nidina teo amin’ny apostoly teo am-pivavahana ny
Fanahy Masina. Dia izao no vavolombelona nataon’ny fahavalony : « Efa nofenoinareo ny
fampianaranareo Jerosalema ». Asan’ny Apostoly 5 : 28
Nampanantena ny fanomezan’ny Fanahy Masina ho an’ny fiangionany i Kristy, ary ho antsika
tahaka ny an’ny mpianatra voalohany ny teny fikasana. Tahaka ny teny fikasana rehetra anefa,
dia misy fepetra ny hanomezana izany. Betsaka no mino sy milaza ho mitaky ny teny
fikasan’i Jehovah ; miresaka ny amin’i Kristy sy ny Fanahy Masin aizy, nefa tsy mandray
tombon-tsoa. Tsy nampilefitra ny fanahy ho tarihin’ireo fiasan’Andriamanitra sy hofeheziny
izy. Tsy azontsika ampiasaina ny Fanahy Masina. Ny Fanahy no tokony hampiasa antsika.
Miasa ao amin’ny vahokany Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahy « na ny fikasana na ny
fanaovana hahatanteraka ny sitrapony » Filipiana 2 :13. Betsaka anefa no tsy hilefitra
amin’izany. Maniry ny hitondra ny fiainany izy. Izany no antony tsy andraisany ny
fanomezana avy any an-danitra. Izay miandry an’Andriamanitra amim-panetren-tena ihany,
izay miambina mba handray ny fitarihany sy ny fahasoavany no homena ny Fanahy. Miandry
ny fangatahany sy ny fandraisan’izy ireo azy ny herin’Andriamanitra. Io fitahiana
nampanantenaina io, rehefa takiana amin’ny finoana, dia mitarika ny fitahiana hafa rehetra
manaraka azy. Omena araka ny haren’ny fahasoavan’i Kristy izany, ary vonona Izy hanome
izay ilain’ny fanahy rehetra araka ny fahazoan’izy ireo mandray.
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
17
Fizarana fahatelo :
Mampihatra ny toro-hevitra avy amin’Andriamanitra
Mameno ny fepetra
Mialoha ny niakarany any an-danitra Jesosy dia nampanantena ny handefa amin’ny mpianany
ny fanomezan’ny Fahany Masina. Tamin’ny finoana izany fampanantenana izany dia nanao
vavaka tamin-kitsim-po hahazoana ny herin’ny Fanahy teo amin’ny fiainany manokana izy
ireo. Nitady an’Andriamanitra tao amin’ny vavaka izy ireo ho an’ilay fanomezana
nampanantenaina.
Ho an’ny kristiana maro, ny Fanahy Masina dia karazana hery sy voafaritra mazava loatra.
Izy no tena tsy fantatry ny olona loatra ny amin’Andriamanitra Teo Izay Iray. Amin’ny lesona
androany isika dia hianatra ny amin’ny teny fikasan’i Jesosy momba ny Fanahy, ny
fiaasan’ny Fanahy ary ny asa fanompoan’ny Fanahy ao amin’ny fiainantsika.
Rehefa fantatsika bebe kokoa ny asa fanompoan’ny Fanahy Masina, dia haniry fatratra ny
herin’ny fanatrehany eo amin’ny fiainantsika isika. Amin’ny fahafantarana mazava kokoa ny
asa fanompoan’ny Fanahy dia hankasitraka Azy bebe kokoa isika, ary ho maika kokoa ny
hitadiavantsika ny fanatrehany feno hery.
Rehefa mahafantatra tsara kokoa ny fiasan’ny Fanahy isika, dia hihalalina ny
fanandramantsika ara-panahy ary hangataka ny famenoana amin’ny Fanahy amin’ny herin’ny
ranonorana farany isika.
1. Inona no endrika voafetra nananan’i Jesosy fony Izy teto an-tany izay tsy hananan’ny
Fanahy Masina ? Inona fanambarana lehibe nataon’i Jesosy tamin’ny mpianany
momba ny « fandehanany » ?
Fintino izay lazain’i Jesosy ao amin’ny Jaona 16 :7
_____________________________________________________________________
_____________________________________________________________________
_____________________________________________________________________
Vakio Ilay Fitiavana Mandresy, pejy 7214 sy 7221 (Desire of Ages 669) mba
hamenoana ny fehezan-teny eto ambany
Voasembatsemban’ny ___________________________________________________
_____________________________________________________________________
_____________________________________________________________________
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
18
Azon’ny rehetra __________________________________ amin’ny alalan’ny Fanahy.
Amin’io lafiny io dia ____________________________________________________
_____________________________________________________________________
2. Amin’ny fomba ahoana no anampian’ny Fanahy Masina antsika ho afaka hiatrika ny
fisedrana, sy fihaikana ary ny fahadisoam-panantenana eo amin’ny fiainana ? (jereo
Jaona 14 : 18, 26, 27 ; Ilay Fitiavana Mandresy, p.7343 sy 7223 [Desire of Ages, p.
699])
_____________________________________________________________________
_____________________________________________________________________
_____________________________________________________________________
_____________________________________________________________________
Ny Fanahy Masina no Mpiara-dàlana amintsika, Sakaizantsika ary Mpanampy antsika Izay eo
amintsika mandrakariva. Mampahery antsika ao anatin’ny fisedrana Izy, mamporisika antsika
ao anatin’ny fahadisoam-panantenana, mitarika antsika handray fanapahan-kevitra ary
manome hery hanoherana fakam-panahy.
Tsy voafetran’ny fotoana na ny elanelana ny Fanahy Masina. Afaka ho amin’ny toerana
rehetra Izy amin’ny fotoana rehetra. Tsy afaka hahatakatra amin’ny fahafenoany an’io zava-
miafin’Andriamanitra io isika, kanefa na izany aza dia marina izany. Isaorana Andriamanitra !
Eo amintsika mandrakariva ny fanatrehany amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.
3. Tanisao ny antony telo amariparitan’i Jesosy ny Fanahy Masina ho « Fanahin’ny
Fahamarinana » (jereo Ilay Fitiavana Mandresy, p. 725 [Desire of Ages, p. 670-671])
_____________________________________________________________________
_____________________________________________________________________
_____________________________________________________________________
4. Inona no anjara andraikitry ny Fanahy Masina eo amin’ny famolavolana toetra ? (jereo
Ilay Fitiavana Mandresy, p 725)
_____________________________________________________________________
_____________________________________________________________________
_____________________________________________________________________
5. Inona no asan’ny Fanahy Masina lehibe indrindra ? (jereo Jaona 16 :13, 14 ; Ilay
Fitiavana Mandresy, p. 725)
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
19
_____________________________________________________________________
_____________________________________________________________________
_____________________________________________________________________
Ny Fanahy Masina no fanomezan’i Jesosy manokana ho an’ny fiangonany. Raha tsy misy ny
fanatrehan’i Jesosy eo amin’ny fiainantsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, dia tsy hanan-
kery hiatrehana ny fahavalo isika. Ny fanatrehan’ny Fanahy Masina dia mitondra fifaliana,
fiadanana, hery ary fandresena eo amin’ny fiarahantsika mamindra amin’Andriamanitra.Raha
tsy misy ny famenoana amin’ny Fanahy Masina ny fiainana kristiana iainantsika dia tsy misy
fifaliana sy hery. Manjary miaina fiainan’ny faharesena isika mahavery hevitra isika fa tsy
fanantenana feno fahatokiana. Vonona ve hianao, izao ankehitriny izao, hanokatra ny fonao
ho amin’ny asa fanompoan’ny Fanahy Masina ary hanao izao vavaka tsotra izao ?
Jesosy malala o !
Ankehitriny dia misaotra Anao aho noho ny fampanantenanao ny Fanahy Masina. Matetika
loatra aho no nanao an-tsirambina ny nihevitra sy nangataka ny hamenoana ny fiainako
amin’ny alalany. Matetika loatra aho no nalaim-panahy hiaina ny fiainako kristiana amin’ny
herin’ny tenako samirery fa tsy miantehitra amin’ny herin’ny Fanahy Masina mba hahazo
fandresena.
Ankehitriny àry dia vohako aminao ny foko. Mitaky ny teny fikasana momba ny Fanahinao
Masina aho, Mifona aho ny amin’ny tsy fahampian’ny fifantohana ara-panahy matetika ary
ny finteherako amin’ny herin’ny tenako.
Amin’ny finoana fa hanome voninahitra ny teninao Hianao ankehitriny izao, dia manaiky ny
fanomezana ny Fanahy Masina aho. Misaotra, Tompo, noho ny anomezanao ahy ny
fanomezan’ny lanitra sarobidy indrindra.
Amin’ny anaran’i Jesosy, Amena !
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
20
ANDRO FAHAROA
FINOANA LALINA KOKOA
Ny mpianatra talohan’ny Pentekosta dia samihafa tanteraka tamin’ny mpianatra taorian’ny
Pentekosta. Talohan’ny Pentekosta dia matetika no nangozohozo ny finoany vao nitsiry.
Taorian’ny pentekosata dia nanjary mafy toy ny vatolampy izany. Ny firotsahany Fanahy
Masina no nanome hery ny mpianatra hiatrika ny fanoherana izay hitranga rehefa nitory ny
fitiavan’i Jesosy sy ny fahasovany izy ireo. Raha niafinafina tamin-tahotra teo an-tokontanin’
ny mpisoronabe tamin’ny fotoana nisamborana an’i Jeosy i Petera dia nanda Azy tamin’ny
fiteny feno hakanosana nanao hoe, « Tsy fantatro izany Lehilahy izany » (Matio 26 : 72). Ny
finoany marefo dia tena nalemy tokoa ary nangozohozo. Kanefa henoy ange i Petera niova
tamin’ny Pentekosta mitory amin-kery ny fanambaran’ny Testamenta Taloha fa Jesosy no
Mesia. Ampitahao ny fandavan’i Petera teo an-kianja amin’ny valin-teniny taorian’ny
Pentekosta rehefa niezaka hampangina ny feony ny mpitondra Jiosy. Nananmbara tamim-
pahasahiana izy nanao hoe, « Izahay tsy maintsy milaza izay zavatra efa hitanay sy renay »
(Asa 4 : 20). Ny fitoeran’ny fahafenoan’ny Fanahy Masina no nahatonga ny fahasamihafana.
Raha tamin’ny herin’ny tenany samirery i Petera dia tsy afaka nifanandrina tamin’ny
famelezan’ny fahavalo. Fa tamin’ny herin’i Jesosy kosa dia nihoatra lavitra ny fahafahany
niaina fiainana nohatanjahin’ny Fanahy Masina. Toy izao no amariparitan’ny apostoly Paoly
ny fanomezan’ny Fanahy Masina hery : « mba homeny anareo araka ny haren’ny voninahiny
ny mba hohatanjahina fatratra amin’ny Fanahiny ny toe-panahinareo » (Efesiana 3 :16).
Nohatanjahin’ny Fanahy Masina i Petera feno finoana dia tonga olona voaova.
Finoana voafaritra
Ny finoana no mamikitra amin’ny fampanantenana ny Fanahy Masina toy ny zava-misy avy
amin’Andriamanitra. Izany dia minon y teny fikasan’i Kristy fa hanome ny Fanahiny Masina
amin’ny fatra betsaka. Ny finoana dia fanomezana rahateo avy amin’Andriamanitra (Romana
12 :3) Ny finoana izay mahatonga antsika ho afaka handray ny fanomezan’Andriamanitra dia
efa fanomezana izay omena ny olona tsirairay amin’ny fatra sasantsasany. Mitombo izany
raha anaovana fanazarana sahaza amin’ny alalan’ny tenin’Andriamanitra. Mba
hampahatanjahana ny finoana dia tsy maintsy ampifandraisintsika matetika amin’ny teniny
izany » (Education, pp 253-254). Raha mibanjina an’i Kristy amin’ny alalan’ny teniny isika
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
21
dia hampitombo ny finontsika ny Fanahy Masina Izay nanindrimandry izany teny izany
(Romana 10 :17).
Ny finoana, raha ny tena marina, dia fahatokiana. « Ny finoana dia fahatokiana
an’Andriamanitra – mino fa tia antsika Izy ary mahafantatra tsara kokoa izay mahasoa
antsika. Ka amin’izany dia mitarika antsika hisafidy ny làlany fa tsy ny an’ny tenantsika
samirery. Ho solon’ny tsy fahalalantsika, ny finoana dia manaiky ny fahendreny ; ho solon’ny
fahalementsika, ny heriny; ho solon’ny toetrantsika mpanota, ny fahamarinany. Ny
fiainantsika, ny tenantsika dia efa Azy; ny finoana dia manaiky ny maha-tompon’ny zavatra
rehetra Azy sy ny manaiky ny fitahiany. Ny fahamarinana, ny toetra mahatoky, ny
fahadiovana dia voalaza fa tsiambaratelon’ny fahombiazan’ny fiainana. Ny finoana no
mametraka antsika hanana ireo fitsipika ireo » (Education, p253). Ny finoana dia fahatokiana
fa tia antsika Izy ary mihevitra mandrakariva izay mahasoa antsika. Amin’ny alalan’ny
finoana no itarihan’ny Fanahy Masina antsika hamikitra amin’ny halehiben’ny fanomezan’ny
fahasoavana izay natolotra maimaim-poana teo Kalvary. Amin’ny alalan’ny finoana no
andraisantsika hery ara-panahy hanoherana ny fakam-panahin’ilay ratsy. Amin’ny alalan’ny
finoana no andraisantsika hery hijoroana vavolombelona. Amin’ny alalan’ny finoana no
mampaharisika antsika hanao izay rehetra angatahin’i Jesosy sy hankato izay rehetra
andidiany. Ny finoana dia mamikitra amin’ny teny fikasan’Andriamanitra fa natao ho antsika
izy ireny.
Tamin’ny Pentekosta dia « nisandratra ho ambony kokoa hatrany ny tànan’ny finoana [an’ireo
mpianatra] ary « teo ambanin’ny herin’ny Fanahy Masina dia nampiasa ny finoany
an’Andriamanitra ka nianatra ny hanatsara ny hery nankinina taminy sy hanjary
nohamasinina, nohatsaraina ary nasandratra » (Vavolombelona Mahery, p. 34, 45). Mety ho
antsika koa izany fanadramana izany. Maniry fatratra ny Fanahy Masina mba hampahalalina
bebe kokoa sy hampitombo ny finoantsika. Amin’ny fifandraisana ety amin’i Jesosy no
itomboan’ny finoantsika.
Fomba telo azo ampiharina hampitomboana ny finoanao
1. Antenao ny Fanahy Masina hampitombo ny finoanao rehefa mianatra ny tenin’
Andriamanitra hianao. Ampiaraho amin’ny fahatsapana fanantenana ny fianaranao ny
Baiboly. Minoa fa ny Fanahy masina Izay nanindry mandry ny Baiboly dia
hanatanteraka fiovana mahagaga eo amin’ny fiainanao raha maharitra amin’ny
fandinihana ny teniny hianao (2 Petera 1 :3, 4)
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
22
2. Ampiharo amin’ny fiainanao ny teny fikasan’ny tenin’Andriamanitra. Mba hahazoana
tombon-tsoa amin’ny fianarana Baiboly, dia tsy maintsy ampiharina amin’ny fiainana
manokana isam-batan’olona izany. Apetraho ao anatin’ny tantara ny tenanao. Inona no
lesona asehon’ny Fanahy Masina anao ao amin’ny tenin’ny Soratra Masina ? Inona no
fisaintsainana ho an’ny fiainana andavan’andro asehony anao ? Inona no faharesen-
dahatra entiny ao an-tsainao ?
3. Miasà araka ny « fatran’ny finoana » izay napetrak’Andriamanitra ao am-ponao.
Mijere any an-koatran’ny toe-javatra misy ankehitriny eo amin’ny fiainanao any
amin’ny fitahiana omanin’Andriamanitra ho anao amin’ny ho avy akaiky indrindra.
Raha manosika anao hanao zavatra ny Fanahy Masina dia ataovy izany amin’ny
finoana fa ho valian-tsoa hianao raha manao zavatra araka ny teniny.
Mba hahalalina kokoa ny finoanao manokana, dia vakio ireto teny fikasana eto ambany ireto,
ary amin’ny anaran’i Jesosy dia takio ho anao izany
« Tsy hain’ny olona izany fa hain’Andriamanitra ny zavatra rehetra » (Matio19 :26)
« « Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan'ny fahasoavana amin'ny fahasahiana, mba
hahazoantsika famindram-po sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin'izay andro
mahory » (Hebreo 4:16)
« Mijery an'i Jesosy, Tompon'ny finoantsika sy Mpanefa azy » (Hebreo 12:2)
« Ary izao no fahasahiana ananantsika eo anatrehany: Raha mangataka zavatra araka ny
sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy; » (1 Jaona 5:14)
« Irin’ny Tompo raha samy hanana fahasambarana sy fiadanana eo amin’ny fankatoavana ny
zanany rehetra. Amin’ny fampiasany ny finoany no handraisan’ny kristiana fitahiana. Avy
amin’ny finoana no anavaozana ny fahabangana rehetra eo amin’ny toetra, sy anadiovana ny
fahalotoana rehetra, anitsiana ny fahadisoana rehetra, ary ampitomboana ny fahatanterahana
rehetra » (Vavolombelona Mahery, p.499)
« Nahita matetika aho fa manao an-tsirambina be dia be ny fivavahana ny zanak’
Andriamanitra, indrindra fa ny vavaka mangina ; maro ireo tsy mampiasa ny finoany izay
tombon-tsoa ho azy ireo sy andraikiny ny manao izany, fa matetika no miandry fihetseham-po
azon’ny finoana entina. Ny fihetseham-po dia tsy finoana ; zavatra samihafa ireo. Ny finoana
dia natao hampiasaina, fa ny fihetseham-po feno fifaliana sy ny fitahiana kosa dia
Andriamanitra no manome azy. Tonga ao amin’ny fanahy ny fahasoavan’Andriamanitra
amin’ny alalan’ny finoana velona, ary izany finoana izany dia adidintsika ny mampiasa azy.
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
23
« Ny finoana marina dia mamikitra sy mitaky ny fitahiana nampanantenaina mialoha ny
hahatanterahany sy ahatsapana azy. Ilaintsika ny mampiakatra ny fangatahantsika amim-
pinoana ary mamela ny finoantsika handray ny fitahiana nampanantenaina ary mitaky azy
ireny ho an’ny tenantsika. Dia aoka hino isika fa mandray ny fitahiana satria ny finoantsika
efa mihazona izany, ary araka ny voalazan’ny Soratra Masina dia antsika izany. « Na inona na
inona tononinareo amin'ny fivavahana sy angatahinareo, dia minoa fa efa nandray ianareo, dia
ho azonareo izany. » (Marka 11:24). Izany no finoana, finoana miharihary, dia ny inoana fa
mandray ny fitahiana isika, eny mialoha ny ahatanterahany amintsika. Rehefa tanteraka ny
fitahiana nampanantenainaary nifaliana, dia mifarana ny finoana. Nefa maro no mihevitra fa
manana finoana bebe kokoa rehefa miresaka be dia be momba ny Fanahy Masina, ary tsy
afaka hanana finoana raha tsy mahatsapa ny herin’ny Fanahy. Izany dia fampifangaroana ny
finoana amin’ny fitahiana izay azo avy amin’ny finoana.
« Ny fotona mety indrindra hampiasana ny finoana dia rehefa mahatsapa fa tsy manana ny
Fanahy. Rehefa toa mitatao eo amin’ny saintsika ny raho-maintin’ny haizina, dia izay no
fotoana hamelana ny finoana velona hamakivaky ny haizina sy hampiely ny rahona. Ny
finoana marina dia miorina amin’ny teny fikasana voarakitra ao amin’nytenin’Andriamanitra,
ary ireo izay mankato ihany no afaka mitaky ny teny fikasany be voninahitra » (Christian
Experience and Teaching of Ellen G. White, pp 126-127).
Ny Finoana Mihena
Mazava ho azy fa io fifandraisana mahatoky amin’Andriamanitra io dia hihena amin’ny andro
farany. Nametra-panontaniana Jesosy nanao hoe, « Raha avy ny Zanak'olona, moa hahita
finoana ety ambonin'ny tany va Izy? » (Lioka 18:8). Olona maro no hihevitra ny fihetseham-
po ho finoana. Hikatsaka fanandramana ara-panahy izay hanetsiketsika ny fihetseham-pony sy
hahatonga azy hahatsapa ho mahazo aina izy ireo. Ny sasany kosa dia hianjera amin’ny
fandrika mifanohitra amin’izany dia ny fanarahan-dalàna mangatsiaka. Na dia eo anatrehan’
ny fahadisoan-kevitry ny olona sasany aza, dia mitarika ny fiangonany ny Fanahy Masina ho
amin’ny fanandraman’ny finoana lalina kokoa noho izay azontsika eritreretina – dia
fanandraman’ny fahatokiana tanteraka an’Andriamanitra, fahatokiana ny teniny, ary
fankatoavana ny sitrapony. Moa mba fanirian’ny fonao manontolo ve ny hiaina fiainan’ny
finoana feno fahatokiana ? Nahoana moa raha mandohalika ary mangataka ny Fanahy Masina
mba hampiorina lalina kokoa ny finoanao sy hitarika anao hiaina izany fiainana izany
ankehitriny ?
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
24
Firzarana faharoa
Fisaintsainana ny amin’ny Toro-hevitr’Andriamanitra
Vakio amim-pisaintsinana ireto teny ireto izay nalaina avy amin’Ilay Fitiavana Mandresy, p.
726-
Ankehitriny dia re ny feon’i Petera manohitra mary hoe : « Na dia tafintohina avokoa aza ny
olona rehetra, izaho tsy mba ho tafintohina ». Izao no efa namabrany tao amin’ny efitrano
ambony : « Na ny aiko aza dia hafoiko noho ny Aminao ». Efa nampitandrina azy Jesosy fa
iny alina iny indrindra dia handà ny Mpamonjiny izy. Navein’i Kristy indray izao ny
fampitandremana : « Lazaiko aminao marina tokoa : Anio, dia amin’ity alina ity, raha tsy
mbola misy akoho maneno fanidroany dia handà Ahy intelo hianao. Nefa vao mainka niteny
mafy dia mafy i Petera hoe : Na dia hiara-maty Aminao aza aho, tsy mba handà Anao tokoa
aho. Ary toy izany koa no nolazain’izy rehetra ». Noho ny fahatokian-tenan’izy ireo, dia
nolaviny ny fanambarana naverin’Ilay mahalala. Tsy vonona ho amin’ny fisedrana izy ;
rehefa hamely azy ny fakam-panahy dia izay vao ho fantany ny fahalemen’ny tenany.
Raha niteny petera fa hanaraka ny Tompony ho any an-tranomaizina sy ho any amin’ny
fahafatesana izy, dia izany tokoa notiany hambara, araka ny teny tsirairay zmin’izany ; saingy
ny tenany no tsy fantany. Niafina tao am-pony tao, nisy tsirin’ny ratsy izay hikopaka’elatra
hanan’aina noho ny toe-javatra. Raha tsy natao tsapany ny loza mananontanona azy, dia ho
hita fa hitondra fahafatesana mandrakizay ho azy izany. Fitiavana ny « izaho » sy
fahatokisana izay handresy na dia ny fahatokiany an’i Kristy aza no hitan’ny Mpamonjy teo
aminy. Betsaka ny kilema, ny fahotana tsy nahalehelovana , ny toe-tsaina tsy rototra, ny toetra
tsy masina, ny fanaovana mosalahy eo amin’ny fidirana amin’ny fakam-panahy, izay efa
niseho teo amin’ny fanandramana nataony. Antso mba handinihany ny fony ny
fampitandremana miezinezina nataon’i Kristy. Nilain’i Petera ny tsy hatoky ny tenany sy ny
hanana finoana lalindalina kokoa an’i Kristy. Raha nekeny tamim-panetren-tena ny
fampitandremana, dia ho niantso Ilay Mpiandry ny andian’ondry izy hiandry ny ondriny.
Rehefa saika hilentika izy teo amin’ny Ranomasin’i Galilia dia niantsoantso mafy izy hoe :
Tompo o !vonjeo aho ». Dia nitsotra ny tànan’i Kristy hamikitra ny tànany. Toy izany koa
ankehitriny raha niantso an’i Jesosy izy hoe : Vonjeo ny amin’ny tenako aho, dia ho voaaro
izy. Tsapan’i Petera anefa fa tsy nitokisany izy ary noheveriny fa hilaozana izy. Tafintohina
sahady izy ka vao mainka nanamafy ny fahatokisan’ny tenany izany.
Nangoraka Jesosy nijery ireto mpianany. Tsy afaka namonjy azy tamin’ny fitsapana Izy, nefa
tsy navelany tsy hanana fampiononana koa. Nomeny toky izy fa hanapaka ny fatoran’ny
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
25
fasana, ary tsy ho levona ny fitiavany azy ireo. « Fa rehefa atsangana Aho , hoy Izy, dia
hialoha anareo ho any Galilia » (Matio 26 :32). Talohan’ny namadihany Azy dia efa nahazo
toky ny amin’ny famelan-keloka izy ireo. Taorian’ny nahafatesany sy ny nitsanganany
tamin’ny maty dia fantany fa voavela heloka izy, ary mamy tamin’ny fon’i Kristy koa.
Teo an-dàlana ho any Getsemane i Jesosy sy ny mpianatra, teo ambodin’ny tendrombohitra
Oliva, toerana mangingina izay efa nalehany matetika handinihan-tena sy hivavahana. Efa
nohazavain’ny Mpamonjy tamin’ny mpianany ny iraka nampanaovina azy tamin’izao tontolo
izao, sy ny firaisany ara- panahy taminy izay tokony notohanany. Ankehitriny dia manazava
ny lesona Izy. Mazava mamirapiratra ny volana ka naneho foto-boaloboka mandrobona.
Nitaruka ny sain’ny mpianatra tamin’izany Izy ka nampiasainy ho tandindona izany.
« Izaho no tena voaloboka », hoy Izy. Tsy ny rofia tsara bika na ny sedera mijoalajoala, na ny
hazo ôka matanjaka no nofidin’i Jesosy mba hanehoana ny tenany, fa ny voaloboka sy ny
tangolo-bahiny hamikirany. Mijoro samirery ny rofia, ny sedera sy ny hazo ôka ; tsy mitaky
mpanohana. Fa misarangotra amin’ny talantalana kosa ny voaloboka, ary amin’izany dia
mandady manondro ny lanitra izy. Toy izany koa Kristy Izay niankina tamin’ny herin’
Andriamanitra teo amin’ny maha-olombelona Azy. « Raha Izaho ihany, hoy ny nambarany,
dia tsy mahay manao na inona na inona » (Jaona 5 :30)
« Izaho no tena voaloboka ». Noheverin’ny Jiosy hatrany ho zava-maniry mendrika indrindra
ny voaloboka ary tandindon’izay rehetra mahery, tsara indrindra sy mahavokatra. Efa naseho
ho toy ny voaloboka efa nambolen’Andriamanitra tao amin’ny tany nampanantenaina i
Israely. Naorin’ny Jiosy teo amin’ny fifandraisany tamin’ny Isiraely ny fanantenany
famonjena. Nefa hoy Jesosy, « Izaho no tena voaloboka ». Aza mihevitra fa ny
fifandraisanareo amin’Isiraely di mety hahatonga anareo ho mpiray amin’ny
fiainan’Andriamanitra sy ho mpandova ny teny fikasany. Amin’ny alalako ihany no
andraisana ny fiainana ara-panahy.
« Izaho no tena voaloboka ary ny Raiko no mpamboatra ». Teo amin’ireo havoan’i Palestina
no efa nambolen’ny Raintsika izay any an-danitra io Voaloboka mahafinaritra io, ary Izy
mihitsy no mpamboatra. Betsaka no voasariky ny hatsaran-tarehin’io Voaloboka io ka
nanambara ny maha-avy any an-danitra azy. Nefa teo imason’ny mpitarika tao Isiraely, dia
toa faka avy amin’ny tany main aizy izany. Noraisiny ilay zava-maniry ka notapatapahiny ary
nohitsakitsahin’ny tongony tsy masina. Nihevitra ny hamongotra azy ho mandrakizay izy.
Nefa tsy very teo imason’ilay mpamboatra avy any an-danitra na oviana na oviana io
Voaloboka maniry io. Rehefa noheverin’ny olona fa maty izany, dia noraisiny ka namboleny
indray teo amin’ny ilan’ny tamboho iray. Tsy ho hitan’ny maso intsony ny foto-boaloboka.
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
26
Nafenina tsy ho azon’ny fanafihana masiaka ataon’ny olona izany. Nihantona teo amin’ny
tamboho anefa ny sampan’ny voaloboka. Mampiseho ny voaloboka ireo. Nahazoana voany
izany. Nisy vokatra izay azon’ny mpandalo notoazana.
« Izaho no tena voaloboka ary hianareo no sampany », hoy Kristy tamin’ny mpianany. Na dia
efa hoesorina tsy ho eo aminy aza Izy, dia tsy niov ny firaisana ara-panahy Aminy. Ny
fikambanan’ny sampana amin’ny voaloboka, hoy Izy, dia mampiseho ny firaisana tokony ho
tohizanareo Amiko. Atsofoka ao amin’ny voaloboka velona ny mason-kazo, toy ny manao
grefy ka mitombo ao amin’ny foto-boaloboka izany, ny hoza-kazo mifandray amin’ny hoza-
kazo, ny làlan-dranokazo mifandray amin’ny làlana-dranokazo. Ny ain’ny voaloboka no
manjary ain’ny sampana. Toy izany no andraisan’ny fanahy matin’ny fahadisoana sy ny
fahotana ny aina amin’ny alalan’ny fifandraisana amin’i Kristy. Tanteraka ny firaisana
amin’ny alalan’ny finoana Azy ho Mpamonjin’ny tena manokana. Ampiraisin’ny mpanota
amin’ny herin’i Kristy ny fahalemeny, amin’ny fahafenoan’i Kristy ny fahabangany, ny
herin’i Kristy mharitra amin’ny toetrany marefo. Nahakasika ny maha-olombelona antsika ny
maha-olombelona an’i Kristy, ary nanendry ny maha-Andriamanitra Azy ny maha-
olombelona antsika. Amin’izany, amin’ny alalan’ny fiasan’ny Fanahy masina dia manjary
mpiray amin’ny toetran’Andriamanitra ny olombelona.Ekena ao amin’ny Malala izy. Rehefa
niforona io firaisana amin’i Kristy io, dia tsy maintsy hazonina. Hoy kristy : « Tomoera
Amiko ary Izaho aminareo. Tahaka ny sampana tsy mahay mamoa ho azy raha tsy miray
amin’ny voaloboka izy, dia toy izany koa hianareo raha tsy miray Amiko ». Tsyu fiendrena
sendrasendra izany na firaisana tapatapaka. Manjary tenan’ny voaloboka velona ny sampana.
Ny fampitohizana ny aina , ny hery sy ny fahavokarana avy amin’ny faka ho amin’ny
sampanadia tsy voasakantsakana ary mitohy. Raha tafasaraka amin’ny voaloboka ny sampana
dia tsy afaka ho velona. Ianareo koa, hoy Jesosy, tsy afaka ho velona raha misaraka Amiko.
Ny fiainana izay noraisinareo tamiko dia tsy voaaro raha tsy misy firaisana mitohy. Raha tsy
Izaho dia tsy afaka mandresy fahotana iray hianareo, na mahatohitra fakam-panahy iray
akory.
« Mitoera Amiko ary Izaho aminareo ».Ny mitoetra ao amin’i Kristy dia midika fandraisana
mitohy ny Fanahiny, fiainana milefitra tsy misy fepetra ho amin’ny fanompoana Azy. Tsy
maintsy mivoha mandrakariva ny fantsona mampitohy ny olona amin’Andriamaniny. Toy ny
sampam-boaloboka velona, dia toy izany koa no tokony hamikirantsika an’i Jesosy sy
handraisana avy Aminy amin’ny alalan’ny finoana ny hery sy ny fahatanterahan’ny toetra
amam-panahiny.
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
27
Mandefa ny famelomana avy aminy ny faka, mamakivaky ny sampana ka tonga hatrany
amin’ny taho any an-tendrony indrindra. Toy izany koa Kristy izay mandefa ny heriny ara-
panahy hikoriana ho an’ny mpino rehetra. Raha mbolamiray amin’i Kristy ny fanahy dia tsy
misy atahorana ny hampahalazo na hahasimba azy.
Hiseho amin’ny alalan’ny voankazo manitra eny amin’ny sampana ny voaloboka. « Izay
miray Amiko ary Izaho aminy dia mamoa be izy ; fa raha misaraka Amiko kosa hianareo dia
tsy mahay manao na inona na inona ». Rehefa mivelona amin’ny alalan’ny finoana ny
Zanak’Andrimanitra isika dia ho hita eo amin’ny fiainantsika ny vokatry ny Fanahy, tsy misy
ho banga na iray aza.
« Ny Raiko no Mpamboatra. Ny sampany rehetra izay tsy mamoa dia esoriny ». Raha
ivelambelany ny firaisan’ny grefy amin’ny voaloboka dia tsy mety hisy fifandrisana mitondra
aina. Koa tsy hisy fitomboana na fahavokarana. Toy izany koa mety hisy fifandraisana
ivelambelany amin’i Kristy, tsy misy tena firisana marina Aminy amin’ny alalan’ny finoana.
Raha tsy mitondra vokatra izy dia sampana sandoka. Ny fisarahany amin’i Kristy dia midika
fahafonganana tanteraka tahaka izay asehon’ny sampana maty. « Raha misy tsy miray Amiko,
houy Kristy, dia ariana any ivelany tahaka ny sampany izy ka malazo ary angonina izy ka
atsipy ao anaty afo, dia ho may ».
« Fa ny sampany rehetra izay maoa kosa dia amboariny, dioviny mba hamoa bebe kokoa.
Tamin’izy roa ambin’ny folo lahy voafidy izay efa nanaraka an’i Jesosy, dia nisy anankiray
toy ny sampany malazo ka efa hoesorina, ny sisa dia handalo eo amin’ny faneezam-
boaloboky ny fitsapana mangidy. Nohazavain’i Jesosy tamin’ny fomba manetriketrika sy
tamim-pitiavana ny zava-kendren’ilay mpamboatra. Hitondra fanaintainana ny fanetezana,
nefa ny Ray no mampiasa ny antsy. Tsy tànana mivatravatra na fo tsy miraika no ampiasainy.
Misy sampany mirefarefa amin’ny tany ; tsy maintsy tapahina sy vahana ny fatorany
amin’izay iankinany amin’ny tany ka hamikiran’ny tangolobahiny. Tokony hanakatra ny
lanitra izy ka hahita izay hiankinany ao amin’Andriamanitra. Ny raviny be loatra izay
mitarika ny aina tsy hikoriana amin’ny voany dia tsy maintsy rantsanana.Tsy maintsy
hesorina ny miroborobo loatra, mba hanome toerana ny tana-masoandron’ny Fahamarinana
izay mahasitrana. Rantsanan’ny Mpamboatra ny sampana izay manimba ny fitomboany, mba
ho sarobidy kokoa sy ho be kokoa ny voa.
« Izany no ankalazana ny Raiko mba hamoazanareo be », hoy Jesosy. Tian’Andriamanitra ny
hampiseho amin’ny alalan’ny mpianatra ny fahamasinana, ny hatsaram-panahy, ny
fangorahana
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
28
izay toetra amam-panahin’ny tenany. Tsy mibaiko ny mpianatra anefa Jesosy hiasa mafy mba
hitondra voa. Asainy mitoetra ao Aminy izy. « Raha miray Amiko hianareo, hoy Izy, ka
mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona fa ho tonga
aminareo izany ». Amin’ny alalan’ny teny no itoeran’i Kristy ao amin’ny mpanaraka Azy. Io
ihany ilay firaisana mitondra aina izay asehon’ny fihinanana ny nofony sy fisotroana ny rany.
Ny tenin’i Kristy dia fanahy sy aina. Raha mandray ireo hianao, dia mandray ny ain’Ilay
Voaloboka. Mivelona amin’ny alalan,’ny « teny rehetra izay aloakan’ny
vavan’Andriamanitra » hianao.Mahatonga ny vokatraizay tao amin’i Kristy ihany ny fiainan’i
Kristy ao aminao. Raha mivelona ao amin’i Kristy hianao, miraikitra Aminy, rah tohanany,
raha misintona famelomana avy Aminy, dia mitondra vokatra manam-pitoviana amin’i Kristy.
Firazana fahatelo
Fampiharana ny Toro-hevitr’Andriamanitra
Mahafeno ny fepetra
Ny Fanahy Masina no manambara an’i Jesosy. Raha manolo-tena tanteraka amin’ny
fitarihany isika dia hitondra antsika ho amin’ny fifandraisana ety kokoa amin’ny Tompontsika
Izy. Ny Fanahy no maneho ny hatsaran’i Kristy tsy manam-paharoa. Izy no mitarika antsika
hitoetra eo amin’ny fitiavany, hatoky ny fitarihany, ary hanolo-tena tanteraka hilefitra eo
ambany sitrapo isam-potoana. Izany no antsoin’i Jesosy hoe « mitoetra eo Amiko ». Io
fanandraman’ny fitoerana ao amin’i Kristy io no mahalalina kokoa ny finoantsika. Tamin’ny
Pentekosta ny mpianatra dia nianatra ny tena dikan’izany hoe mioetra marina tokoa ao amin’i
Kristy. Amin’ity lesona ity koa isika dia hahita ny dikan’izany hoe « mitoetra isan’andro ao
amin’i Kristy ».
1. Inona no fahasamihafana lehibe teo amin’i Petera talohan’ny hazo fijaliana sy Petera
tamin’ny Pentekosta ? Vakio Ilay Fitiavana Mandresy, p. 727, 728 ; ary ampitahao
amin’ny Asan’ny Apostoly 2 :37-39 ; Asa 4 :8-12 ary Asa 5 :29-32.
_____________________________________________________________________
_____________________________________________________________________
_____________________________________________________________________
Manokàna fotoana vitsivitsy hisaintsainana ny amin’ny zavatra eo amin’ny fiainanao
izay mety ilàna ny fahasoavan’i Kristy manadio. Inona no zavatra nandresen’ny
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
29
Fanahy Masina lahatra anao vao haingana ? Moa ve Izy manondro fahotana
sasantsasany ankamamianao izay iriny mba hafoinao ? Amim-pivavahana dia vakio eo
am-pandohalehana ny Salamo 51 ary angataho Andriamanitra hiasa lalina amin’ny
Fanahy Masina ao amin’ny fonao.
2. Vakio Jaona 15 :1-8 ary ampitahao amin’Ilay Fitavana Mandresy, p. 728-729. Inona
ao amin’ilay fanoharana momba ny voaloboka no mahatonga azy ho sary manintona
ary misy heviny maneho an’i Jesosy ?
_____________________________________________________________________
_____________________________________________________________________
_____________________________________________________________________
3. Inona no dikan’ny hoe « mitoetra ao amin’Kristy » ? (jereo Ilay Fitiavana Mandresy,
p.730)
_____________________________________________________________________
_____________________________________________________________________
_____________________________________________________________________
4. Ahoana no fomba ataon’ny Mpamboatra mba hahatonga ny voaloboka hamoa be ?
Ahoana no ifandraisan’izany amin’ny fanandramana kristiana iainantsika ? (jereo
Jaona 15 :5 sy Ilay Fitiavana Mandresy, p. 730-731)
_____________________________________________________________________
_____________________________________________________________________
_____________________________________________________________________
5. Amin’ny fomba ahoana no ahazoantsika mankalaza an’Andriamanitra eo amin’ny
fiainantsika manokana ? (jereo Jaona 15 :8 sy Ilay Fitiavana Mandresy, p. 731-732)
_____________________________________________________________________
_____________________________________________________________________
_____________________________________________________________________
Ny Fanahy Masina no mampiaiky antsika ny amin’ny fahotana. Asehony ireo fihetsika
miafina sy toetra malaky mahazo antsika izay mety tsy fantatsika akoryNy Tompontsika be
fitiavana dia maniry fatratra antsika tsirairay avy mba haneho ny fahasoavan’ny toetrany.
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
30
Raha manaiky ny hifanatrika amin’ny fahadisoantsika isika ka hametraka azy ireny eo amin’i
Jesosy dia hanome hery antsika ny Fanahy Masina mba hiaina fiainana araka
an’Andriamanitra. Hitombo ny finoantsika arakaraka ny ahitantsika ny Fanahy Masina
maneho fahangagana eo amin’ny fiainantsika manokana. Ny fijoroana vavolombelona
nataon’ny mpianatra taorian’ny Pentekosta no vavolombelona ny amin’ny fomba nanovan’i
Jesosy ny fiainany tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Nanao izany ho azy ireo Izy, ary raha
ekentsika dia hanao toy izany amintsika koa Izy.
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
31
ANDRO FAHATELO
FIBEBAHANA AMIN’NY FO TOKOA
Mialoha indrindra ny hiakarany any an-danitra Jesosy dia nanome ny mpianatra toro-
marika manokana mba « hiandry ny teny fikasan’ny Ray » (Asa 1 :4). Inona no tiany
hambara tamin’izany ? Moa ve izy ireo tokony hipetraka fotsiny tsy manao na inona
na inona ao amin’ny Efitrno Ambony – sa nisy andraikitra manokana tokony ataony
ho fanomanana ny fony handray ny fanomezan’ny lanitra ? Nisy zavatra sasantsasany
nilain’izy ireo natao ve ? Raha eny, dia inona avy izany ? Ary ny zava-dehibe
indrindra, inona no azontsika ianarana momba ny firotsahan’ny Fanahy Masina avy
amin’ny fanandraman’ny Efitrano Ambony ?
Raha milazalaza ny amin’ireo folo andro niandrasana Ellen White, miaraka amin’ny
tsindrimandry avy amin’Andriamanitra, dia manome antsika izao fanambarana
sarobidy izao : « Taorian’ny niakaran’i Jesosy dia tafangona tamin’ny toerana iray ny
mpianatra mba hanao fangatahana feno fanetren-tenatamin’Andriamanitra. Ary rehefa
afaka folo andro nanaovana fandinihan-tena lalina sy fikatsahana ny fo dia voaomana
ny làlana mba hidiran’ny Fanahy Masina ao amin’ny tempoly fanahy voadio sy
nohamasinina » (Evangelism, p. 698). Ao amin’ny toko matanjaka momba ny
Pentekosta, dia ampiany hoe « raha niandry ny fanantanterahana ny teny fikasana ny
mpianatra dia nampietry ny fony tamin’ny fibebahana marina izy ka niaiky ny tsy
finoany » (Vavolombelona Mahery, p. 34)
Ny amin’ny inona no tokony nibebahany? Azoko alaina sary an-tsaina fa nisy zavatra
sasantsasany. Jakoba sy Jaona dia nibebaka ny amin’ny tsy faharetany sy ny
fireharehany. Petera dia ampoizina fa nibebaka ny amin’ny tsy fahampian’ny finoany
ary Tomasy ny amin’ny fisalasalany. Nandohalika teo anatrehan’Andriamanitra
avokoa ny mpianatra rehetra ary nampihanjahanja ny fanahiny. Niaiky izy ireo fa noho
ny fahotany no namantsihana an’i Jesosy teo amin’ilay hazo feno habibiana. Maty nho
ny fitiavan-tenan’izy ireo ny Mpamonjy, noho ny fitiavany ny te-ho lohany, ny
fireharehany, ary ny hamafin’ny fony. Nitondra ireo mpianatra nivavaka ireo teo
amin’ny faharesen-dahatra lalina ny amin’ny toetrany mpanota ny Fanahy Masina. Ao
amin’ny fibebahana marina dia tsy misy fialan-tsiny ho an’ny fahotana satria « ny
hamoram-panahin’Andriamanitra dia mitaona hibebaka » (Romana 2:4).
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
32
Tsy azo atao ny hibebaka marina raha tsy Jesosy no manome ny fanomezan’ny
fibebahana. Ao amin’ny Asa 5, ny apostoly dia nitory ny amin’i Jesosy Izay
« nasandratry ny tànana ankavanan’Andriamanitra ho Tompo sy Mpamonjy hanome
fibebahana sy famelan-keloka ho an’Isiraely » (and. 31). Mampahatsiaro antsika Ellen
White fa « tsy azontsika atao ny hibebaka raha tsy ny Fanahin’i Krsity no mampifoha
ny eritreritra, dia toy ny tsy ahafahantsika ho voavela heloka raha tsy noho Kristy ».
« Kristy no loharanon’ny toe-tsaina tsara rehetra. Izy irery ihany no mahay mamboatra
ny fo ho tonga fahavalon’ny fahotana. Ny faniriana rehetra ho amin’ny fahamarinana
sy fahadiovana, ny fahatsiarovana rehetra fa diso dia diso ny tena, dia fanehoana
marina fa miasa ao am-pontsika ny Fanahiny » (Ny Dia ho eo amin’i Kristy, p.30, 31).
Famaritana ny Fibebahana
Ny fibebahana dia fahatsapana alahelo lalina ny amin’ny fahotana. Tsy te-handratra ny
fon’Ilay Iray izay tia antsika loatra amin’ny asa, fihetsika ary safidy feno fahotana
isika. Amin’ny fahafantarana ny fitiavany lehibe ho antsika, dia mitodika amim-
paharikorikoana avy amin’izay zavatra mety hampalahelo Azy isika. Nefa ny
fibebahana dia mihoatra lavitra noho ny fitodihana avy amin’ny fahotana. Izany dia
mahafaoka ny fiovan’ny fo.
Ny zavatra nankafizintsika teo aloha dia halantsika ankehitriny. Miaraka amin’i
Davida dia maintsoantso isika manao hoe : « Amorony fo madio aho, Andriamanitra
ô ! ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko. Aza manary ahy hiala eo
anatrehanao ary aza manaisotra ny Fanahinao amiko » (Salamo 51 : 10, 11). Ny fo
mibebaka marina dia maniry ny hanao izay mahafaly an’i Jesosy amin’ny lafiny
rehetra amin’ny fiainany.
Manerana ny bokin’ny Asan’ny Apostoly, dia mifandray akaiky ny fibebahana sy ny
fandraisana ny Fanahy Masina. Amin’ny famaranana ny toriteniny tamin’ny
Pentekosta dia nananatra ny mpihaino azy i Petera : « Mibebaka ary aoka samy hatao
batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy hianareo rehetra mba hahazo famelana ny
helokareo ary hianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina » (Asa 2 :38).
Ao amin’ny Asa 3 :19, dia miantso antsika sy ireo mpihaino azy mivantana izy :
« Mibebaha hianareo ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro
famelombelomana avy amin’ny fanatrehan’ny Tompo ». Mamariparitra io
famelombelomana avy amin’ny fanatrehan’ny Tompo io ho toy ny ranonorana farany i
Ellen White (Early Writings, p. 86). Rehefa miditra amin’ny fibebahana isika –
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
33
alahelo lalilna ao am-po noho ny ota – dia manomana ny fontsika Andriamanitra
handray ny Fanahy Masina.
Famintanana ny amin’izay nianarantsika momba ny fibebahana
1. Ny fibebahana dia alahelo lalina ao am-ponoho ny ota izay mitondra ho amin’ny
faniriana hanao izay ankasitrahan’i Jesosy amin’ny lafiny rehetra eo amin’ny
fiainantsika
2. Ny fibebahana dia fanomezan’Andriamanitra. Raha tsy misy ny fiasan’ny Fanahy
Masina ao amin’ny fiainantsika hitarika antsika hibebaka dia tsy afaka hanao
fanandramana ny amin’ny fibebahana marina
3. Ny fibebahana dia tsy fiovana eo amin’ny asantsika ihany fa fiovana lalilna koa eo
amin’ny fihetsika
4. Ny fibebahana dia manomana ny fontsika ho amin’ny fitoeran’ny Fanahy Masina
ao anatintsika
5. Ny fibebahana dia ilaina mba handraisana ny ranonorana farany sy hahatongavana
vavolombelona mahery vaika ho an’i Jesosy amin’izao taranaka farany izao
Moa ve misy zavatra eo amin’ny fiainanao izay ampiaiken’ny Fanahy Masina anao fa tsy
mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra ? Moa ve misy fihetsikao izay tsy mitovy
amin’ny fihetsik’i Jesosy ? Moa ve hianao mamikitra an-kitsirano amin’ny fahazarana izay
tokony hialana ? Aiza no itarihan’ny Tompo ny fiainanao ? Inona ireo dingana itarihany anao
mba hataonao ? Vonona ve hianao hampietry ny tenanao eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny
fibebahana amin’ny fo tokoa ary hangataka Azy mba hamela anao ny amin’ireo toetra fno
fahotana ?
Laodikia, ilay fiangonana amin’ny oran’ny fitsarana, dia soritan’ny Apokalypsy toy ny feno
avonavona ara-panahy. Mihambo ho manan-karena sy nihary fananana betsaka ary tsy
manan-java-mahory izy. Ailik’Andriamanitra ny fihamboany sy ny fihatsarambelatsihiny
amin’ny fanambarany fa izy dia matimaty ka tsy mafana na mangatsiaka, ary manoro hevitra
azy Izy mba « hazoto sy hibebaka » (Apokalypsy 3 : 19).
Rena ove ny Fanahy Masina miteny amin’ny fonao ? Nahoana moa raha mandohalika ka
mibebaka hianao ? Ambarao amin’Andriamanitra fa tsy tahaka izay anirianao azy ny tenanao.
Angataho Izy haneho ny faritra miafina mitampify lalina ao anatinao izay tsy mifanaraka
amin’ny sitrapony. Afoizo ireo zavatra tondroiny aminao. Rehefa mamaly ny antson’ny
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
34
Fanahy hianao ka mianjera amim-pandohalehana amin’ny alahelo noho ny ota dia hameno ny
fonao amin’ny fahafenoan’ny Fanahiny Andriamanitra.
Fizarana faharoa
Fisaintsainana ny amin’ny Toro-hevitr’Andriamanitra
Amim-pisaintsainana dia vakio ireto teny manaraka ireto izay nalaina tamin’ny
Vavolombelona Mahery, p.33
Rehefa niverina avy niverina avy any an-tendrombohitra Oliva ho any Jerosalema ny
mpianatradia nijery azy ireo ny vahoaka nanampo hahita soritra alahelo sy tebiteby teny
amin’ny endriny, kanjo fifaliana sy fandresena no hitany teo aminy. Tsy nitaraina intsony ny
amin’ny fahadisoam-pananatenany izao ny mpianatra. Efa nahita ny Mpamonjy nitsangana
tamin’ny maty izy ary nanakoako mandrakariva tao an-sofiny ny teny fikasana nataony raha
nandao azy Izy.
Ho fankatoavana ny baikon’i Kristy dia niandry ny teny fikasan’ny Ray tao Jerosalema izy –
dia ny firotsahan’ny Fanahy. Tsy nitomoe-poana izy teo am-piandrasana. Hoy ny Soratra
Masina hoe : « Ary teo an-kianjan’ny tempoly isan’andro izy nankalaza an’Andriamanitra ».
Nivory koa izy mba hitondra ny fangatahany teo amin’ny Ray amin’ny anaran’i Jesosy.
Fantany fa nanana any an-danitra izy, Mpisolovava eo anatrehan’ny seza
fiandrianan’Andriamanitra. Niondrika nivavaka tamim-panajana fatratra izy, namerina ny
toky hoe : « Na inona na inona hangatahinareo amin’ny Ray dia homeny anareo amin’ny
anarako izany. Mandraka ankehitriny dia tsy mbola nangataka na inona na inona tamin’ny
anarako hianareo ; mangataha dia hahazo hianareo, mba ho tanteraka ny fifalianareo ».
Nisandratra ho ambony kokoa hatrany ny tànan’ny finoana, notohanan’ny laha-kevitra
mahery hoe : « Kristy Jesosy ny efa maty, eny, sady nitsngana tamin’ny maty koa ka mitoetra
eo amin’ny tànana an-kavanan’Andriamanitra ary mifona ho antsika ».
Raha niandry ny fanatanterahana ny teny fikasana ny mpianatra dia nampietry ny fony
tamin’ny fibebahana marina izy ka niaiky ny tsy finoany. Raha nahatsiaro ny teny nataon’i
Kristy taminy talohan’ny nahafatesany izy dia azony mazava kokoa ny dikany. Niverina tao
an-tsainy ireo fahamarinana izay tsy tao amin’ny fitadidiany intsony, ary naverimberiny
tamin’izy samy izy izany. Nanome tsiny ny tenany izy noho ny tsy nahatakaranye ny amin’ny
Mpamonjy.
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
35
Nifanesy toy ny nanao rano lava teo imasony ireo toe-javatra teo amin’ny fiainany mahagaga.
Raha nandinika ny fiainany madio sy masina izy ireo, dia tsapany fa tsy misy asa ho mafy
loatra, raha mba azony atao ny ho vavolombelon’ny toetra amam-panahy maha-te ho tian’i
Kristy eo amin’ny fiainany. Raha mba afaka hiverina hivelomany indray mantsy ireo telo
taona lasa, dia tsy hitovy tamin’ny lasa ny fihetsiny ! Raha mba afaka mahita fotsiny ny
Tompo izy, amin-kafanam-po manao ahoana no iezahany haneho Aminy ny halalin’ny
fitiavany Azy, sy ny alahelony amin’ny fony manontolo noho izy nandratra Azy
mandrakariva tamin’ny teny na ny fihetsika mitory tsy finoana ! Nampahery azy anefa ny
fiheverana fa voavela heloka izy. Ary nanapa-kevitra izy fa hatramin’izao, raha mbola azo
atao, dia hanonitra ny tsy finoany amin’ny fanekeny Azy amin-kerim-po eo anatrehan’izao
tontolo izao.
Nivavaka mafy sy tamin-kafanampo ny mpianatra mba hahaizany manatrika ny olona sy
manao teny mmahatarika ny mpanota ho eo amin’i Kristy eo amin’ny fifaneraserany
andavan’andro. Napetrany ny fahasamihafany rehetra, ny faniriany rehetra te-ho ambony, ka
nifanatona akaiky teo amin’ny fihavanana kristiana izy. Nanaton akaiky kokoa hatrany an’
Andriamanitra izy, ary raha nanao izany izy, dia tsapany ny tombontsoa nananany tamin’ny
namelana azy hikambana akaiky toy izany amin’i Kristy. Nameno ny fony ny alahelo rehefa
noeritreretiny, impiry izy no nandratra ny fony noho ny fahavotsany ka tsy nahatakarany
zavatra, noho ny tsy nahaizany nahazo ny lesona izay niezahan’i Kristy nampianarina azy
mba hahasoa azy.
Andro nandinihany lalina ny fony ireo andro fiomanana ireo. Tsapan’ny mpianatra izay
nilainy teo amin’ny ara-panahy, ka nitaraina tamin’ny Tompo izy hahazo ny hosotra masina
izay hahatonga azy ho afaka ny asa famonjem-panahy. Tsy nangataka fitahiana ho an’ny
tenany samirery izy. Nitambesatra taminy ny lanjan’ny famonjena fanahy. Nanjary zava-misy
ho azy izany filazantsara ho entina eo amin’izao tontolo izao izany, ka notakiany ny hery izay
nampanantenain’i Kristy.
Tamin’ny andron’ny Patriarka dia efa naseho matetika tamin’ny fomba miavaka ny hery
miasa mangina avy amin’ny Fanahy Masina, nefa tsy mbola tamin’ny fahafenoany.
Ankehitriny, ho fanakatoavana ny tenin’ny Mpamonjy, dia ntaky io fanomezam-pahasoavana
ion y mpianatra, ary nanampy azy Kristy tany an-danitra tamin’ny fanelanelanana nataony.
Nitaky ny fanomezan’ny Fanahy Izy mba hahazoany mandrotsaka izany amin’ny vahoakany.
« Ary nony tonga ny andro Pentekosta dia teo amin’ny fitoerana iray izy rehetra. Ary nisy feo
tonga tampoka avy tany an-danitra toy ny rivotra mahery nifofofofo ka nanenika ilay trano
niangonany ».
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
36
Tonga tamin’ny mpianatra izay niandry sy nangataka tamin’ny fahafenoany izay nahatratra ny
fo rehetra, ny Fanahy. Niseho tamin-kery tamin’ny fiangonany Ilay tsy manam-petra. Tahaka
ny voatana sy voafehy izany hery izany nandritra ny fotoana ela, ary ankehitriny
maharavoravo ny lanitra ny ahazoany mandrotsaka ny harem-pahasoavan’ny Fanahy amin’ny
fiangonana. Koa noho ny hery miasa mangina avy amin’ny Fanahy, dia nifangaro tamin’ny
fibebahana sy fiaiken-keloka ny hira fiderana noho ny fahotana voavela. Teny fisaorana sy
faminaniana no re. Niondrika ambany ny lanitra manontolo hijery sy hankalaza ny
fahendren’ny fitiavana tsy misy toa azy, tsy takatryn ny saina. Tolagaga ny apostoly ka niloa-
bava hoe : « Izao no fitiavana ». Noraisiny ny fanomezana nozaraina taminy. Ary inona no
nitranga ? Nanavatsava làlana tao amin’ny tsy finoana ny sabatry ny Fanahy vao noranitina
tamin’ny hery sy naroboka tao amin’ny tselatry ny lanitra. Anarivony no niova fo indray
andro.
Fizarana fahatelo
Fampiharana ny Toro-hevitr’Andriamanitra
Mahafeno ny fepetra
Fenon’ny fahatsapana fanantenana sy fahatokiana ny mpianatra dia nivory tao amin’ny
Efitrano Ambony. Nanana fahatokiana tanteraka izy ireo fa Kristy dia hanatanteraka ny
teniny. Tamin’ny fo nanetry tena no nibebahany noho ny tsy fahampian’ny finoany. Fantany
fa rehefa mahafeno ny fepetra izy ireo, dia hidina ny Fanahy Masina amin’ny hery lehibe.
1. Inona no fihetsiky ny mpianatra tamin’ny fiakaran’i Kristy tany an-danitra ? Nahoana
izany fihetsika izany no nahagaga ny vahoaka tao Jerosalema ? (jereo Lioka 24 : 50-53
sy Vavolombelona Mahery, p. 33)
_____________________________________________________________________
_____________________________________________________________________
2. Nahoana ireo mpianatra no feno fanantenana sy fahatokiana toy izany taorian’ny
niakaran’i Kristy ? (jereo Asa 1 :1-4 sy Vavolombelona Mahery, p. 33)
_____________________________________________________________________
_____________________________________________________________________
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
37
Nino ny tenin’i Jesosy ny mpianatra. Nitaky ny teny fikasany izy ireo. Nankato ny baikony
izy ireo.Niandry tao amin’ny Efitrano Ambony izy ireo, nikatsaka tamin-kitsimpo tokoa ny
firotsahan’ny Fanahy Masina. Niondrika nivavaka tamim-panajana fatratra izy, namerina ny
toky hoe : « Na inona na inona hangatahinareo amin’ny Ray dia homeny anareo amin’ny
anarako izany. Mandraka ankehitriny dia tsy mbola nangataka na inona na inona tamin’ny
anarako hianareo ; mangataha dia hahazo hianareo, mba ho tanteraka ny fifalianareo ». (Jaona
16 : 23, 24).
3. Raha mbola niandry ny fanatanterahana ny teny fikasan’i Jesosy ny mpianatra, dia
inona ireo zavatra manokana dimy nataony ? (jereo Vavolombelona Mahery, p. 34,
35).
A. __________________________________________________________________
__________________________________________________________________
B. __________________________________________________________________
__________________________________________________________________
D. __________________________________________________________________
__________________________________________________________________
E. __________________________________________________________________
__________________________________________________________________
4. Inona no zavatra fara-tampony nokendren’Andriamanitra tamin’ny nanafiany hery ny
mpianatra tamin’ny Fanahiny ? (jereo Asa 1 :8 sy Vavolombelona Mahery, p. 36)
_____________________________________________________________________
_____________________________________________________________________
5. Inona no fahasamihafana nentin’ny firotsahan’ny Fanahy Masina tamin’ny andro
Pentekosta teo amin’ny fiainan’ny mpianatra ? (Jereo Vavolombelona Mahery, p. 34,
35)
_____________________________________________________________________
_____________________________________________________________________
Maniry fatratra Andriamanitra hanao zavatra ao anatintsika mba hahazoany manao zavatra
amin’ny alalantsika. Maniry ny hanao zavatra ho antsika Izy mba hahazoany manao zavatra
miaraka amintsika. Maniry ny hanova ny toetrantsika Izy mba hahazoany manafy hery ny
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
38
fijoroantsika vavolombelona. Ny toetrantsika no zava-dehibe kokoa noho ny zavatra
ataontsika. Afaka « manao zavatra » hianao na dia « tsy manana ilay toetrauu », kanefa tsy
afaka hanana ilay « toetra » hianao raha « tsy manao » na inona na inona. Ny toetra voaova
dia mitarika ho amin’ny fijoroana vavolombelona mavitrika sy asa fanompoana. Nahoana
moa no tsy manokatra ny fonao amin’i Jesosy hianao izao ankehitriny izao ary mangataka
Azy haneho ny toetrany amin’ny fiainanao ?
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
39
ANDRO FAHEFATRA
FIAIKEN-KELOKA MARINA
Ny fiaikena ny fahotana dia nanamarika mandrakariva ny fifohazana marina. Ny fiaiken-
keloka di amanokatra ny fo ary manadio ny làlana ho an’ny firotsahan’ny
Fanahin’Andriamanitra amin’ny fomba mahery vaika. Raha tsentsin’ny fahotana ny
fantson’ny fanahy, dia tsy afaka mikoriana amin’ny alalantsika ny Fanahy mba hisy akony
amin’izao tontolo izao. Izao no ambaran’ilay lehilahy hendry : « Izay manafina ny fahotany
tsy hambinina; Fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindram-po. » (Ohabolana
28:13).Tsy « hambinina » ara-panahy isika raha tsy marina amin’ny tenantsika sy
amin’Andriamanitra. Ny fahotana tsy ekena dia homamiadana ho an’ny fanahy. Alohan’ny
hamenoan’ny Fanahy antsika sy hanomezany hery antsika dia mampiaiky heloka antsika sy
manoro hevitra antsika Izy. Raha tsy miaiky ny fahotana tondroin’ny Fanahy Masina
amintsika isika, dia ho lasa mafy fo isika. Raha mandà tsy hihaino ny feon’ny fandresen-
dahatra isika dia tsy handray na oviana na oviana ny Fanahy Masina amin’ny herin’nyn
ranonorana farany.
Rehefa niangona tao amin’ny Efitrano Ambony ny mpianatra, nitady an’Andriamanitra am-
bavaka tamin-kitsimpo tokoa, dia tsapan’izy ireo mazava tsara ny ilàna ny hiaiken’izy ireo ny
fahotany amin’Andriamanitra ary, na aiza na aiza toerana mahamety izany, amin’izy samy
izy. « Taorian’ny niakaran’i Kristy any an-danitra dia tsy nidina avy hatrany akory ny Fanahy
Masina. Nisy folo andro taorian’ny niakarany izay vao nomena ny Fanahy Masina. Io fotoana
io dia natokan’ny mpianatra hiomanana amin-kitsimpo handray ny fanomezana hery tena
sarobidy. Ny haren’ny lanitra no narotsaka tamin’izy ireo rehefa nandinika ny fony tamim-
pahazotoana sy nahafoy ny sampy rehetra izy. Indreo izy teo anatrehan’Andriamanitra ,
nampietry ny fanahiny, nanatanjaka ny finoany, niaiky ny helony » (This Day With God, p.
10). Mialoha ny firotsahany Fanahy Masina, dia nisy asa fiomanana nilaina. « Raha niandry
ny fanatanterahana ny teny fikasana izy ireo dia nampietry ny fony tamin’ny fibebahana
marina ary niaiky ny tsy finoany » (Vavolombelona Mahery, p. 34). Raha ny mpianatr’i Kristy
aza nila nanomana ny fony ho an’ny ranonorana aloha mba ho fanokafana/fanombohana ny
fitoriana ny filazantsara, betsaka lavitra manao ahoana re no ilantsila hanomana ny fontsika
ankehitriny amin’izao ora faran’ny tantaran’ny tany izao ? Raha izy ireo aza nila nandany
fotoana tamin’ny fivavahana, fisaintsainana, fibebahana ary fiaiken-keloka, dia mila izany
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
40
bebe kokoa isika. Raha nisakana ny làlana ho an’ny firotsahan’ny Fanahy Masina amin’ny
fomba mahery vaika ny fahotana tamin’izany dia toy izany indrindra koa ankehitriny. Raha
toa ny fiaiken-keloka nanomana ny fon’izy ireo handray ny Fanahy Masina, dia hanomana ny
fontsika koa Izy.
Miaiky fahotana manokana
Ny asa fanompoana tao amin’ny fitoerana masina ao amin’ny Testamenta taloha dia manome
lesona lehibe momba ny fiaiken-keloka. Rehefa nahatsapa ny faharatsian’ny otany ny
Isiraelita ka nitondra ny fanatiny teo amin’ny fitoerana masina dia mamariparitra ny zavatra
nitranga nanaraka izany ny Levitikosy 5. « Koa raha meloka amin'ny anankiray amin'ireo izy,
dia hiaiky izay zavatra nanotany, » (Levitikosy 5:5). Ny fiaiken-keloka dia manokana hatrany.
Ny mpanota izay nitondra zanak’ondry dia nametraka ny tànany teo amin’ny lohan’ny biby
hatao fanantitra ary niaiky ny zavatra izay nanotany. Raha milazalaza ny amin’ny maha-
zava-dehibe ny fiaiken-keloka Ellen White dia manambara toy izao : « Ny tena fiaiken-keloka
marina dia filazana izay tena izy mihitsy ary fitsorana ny amin’ilay fahotana nahavoa
indrindra. ANgamba fhotana tokony eo anatrehan’Andriamanitra irery ihany izany ; na
angamba fanafintohinana tokony hekena amin’ilay olona nasian-dratsy ; na angamba
fahadisoana fantatry ny besinimaro ka tokony hekena ampahibemaso. Nefa ny fiaiken-keloka
rehetra , na toy inona na toy inona,dia tsy tokony hatao anjoanjo, na faobe, fa tokony ho
potsirina amin’ny masom-boavahiny, dia fiaikena ilay tena fahotana indrindra izay nahadiso
anao » (Ny Dia, p. 46)
Nisaintsaina eritreritra feno fanakianana ve hianao ? Nilaza teny manindrona sy nandratra ve
hianao ? Naneho tsy faharetana na tsy fahatsaram-panahy ve hianao ? Nivaha ve ny
fitandremanao ny Sabata na tsy nahatoky teo amin’ny famerenana ny ampahafolony ve
hianao ? Ny ota dia mamitsaka ao amin’ny làlan-dran’ny fontsika ara-panahy. Mikiky ny
fantson’ny fanahy izany. Ary misakana ny fitahiana izay irin’Andriamanitra harotsaka
amin’ny alalantsika. Ny valiny dia fiaikena heloka. Rehefa mandohalika eo anatrehan’Ilay
Andriamanitsika mpamela heloka sy mpamindra fo isika, miaiky ny fahotana manokana
ampiaiken’ny Fanahy Masina antsika, dia hahazo famelana isika, fahafahana amin’ny
fahatsapan-tena ho meloka. Izany dia mitondra antsika ho amin’ny fanontaniana roa lehibe
iankinan’ny aina. Rahoviana isika no tokony hangataka famelana amin’ny olona izay
nasiantsika ratsy ? Rahoviana no fotoana mety hiaikentsika heloka ampahibemaso ?
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
41
Miaiky heloka amin’Andriamanitra sy amin’ny hafa
Rahoviana isika no tokony hiaiky ny fahotantsika amin’Andriamanitra irery ihany ? Ny
apostoly Paoly dia naniry fatratra hanana « fieritreretana tsy manameloka na amin'
Andriamanitra na amin'olombelona mandrakariva. » (Asan'ny Apostoly 24:16). Afaka hanana
fieritreretana madio isika raha miaiky ny helotsika amin’Andriamanitra. Raha toa aorian’ny
niaikentsika heloka tamin’Andriamanitra ka mbola mitoetra ny fahatsapana fahamelohana dia
tokony hametraka izao fanontaniana izao amin’ny tenantsika isika : Moa ve aho nanisy ratsy
olona na nandratra azy ireny na tamin’ny fomba inona na inona izay itarihan’ny Fanahy
Masina antsika hangataka famelana amin’izy ireo ? Raha nifamaly na naneho tsy faharetana
na tezitra tamin’olona isika dia mandresy lahatra antsika ny Fanahy Masina hangataka ny
famelan’izany olona izany. Izany dia fitsipika tena manan-danja tokoa rehefa mamaritra na
tokony hangataka ny famelan’ny olona hafa isika na tsia. Mamerina amin’ny laoniny ny
zavatra simba hianao. Raha niteraka faharavana teo amin’ny fifandraisanao amin’ny olona
hafa ny fihetsikao dia mety hamitrana izay simba teo amin’ny fifandraisana ny fangatahana
ny famelany heloka ary manaporofo ny herin’ny fahasoavan’Andriamanitra miasa ao amin’ny
fiainanao. Raha nilaza teny tsy dia tsara loatra momba ny olona iray hianao, dia aoka hanarina
ny simba hianao. Mankanesa any amin’ilay olona niresahanao ary miezaha hanarina ny
fahasimbana vokatry ny nataonao momba ny lazan’ny olona hafa.
Rahoviana no mety ny fiaikena ampahibemaso ? Raha zavatra ampahibemaso ihany ny
fahotana vitanao. Raha nanda ny fanoloran-tenanao tamin’i Kristy hianao ka nanao
fanaratsiana ampahibemaso ny anarany sy ny anaran’ny fiangonany dia tena tokony hatao ny
fiaikena ampahibemaso. Mazava ho azy fa na dia tsy ilaina loatra ary tsy fahendrena ny
handeha amin’ny tsipiriany rehetra ny amin’ilay fahotana, ny fijoroana vavolombelona ny
amin’ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny alahelontsika noho ny nandisoana fanantenana azy
dia mitondra fanasitranana ho an’ny fontsika manokana sy ho an’ny fiangonana.
Jesosy dia mbola Ilay Mpamonjy mpamela heloka hatrany. Mbola manadio antsika amin’ny
fahotantsika sy ny henatra avy amin’izany Izy. Raha manatona Azy ka miaiky marina tokoa
ny fahotantsika isika dia voaomana ny fontsika handray ny fitoeran’ny Fanahy Masina ao am-
pontsika. Mba hanampy anao amin’ny hitoeran’ny Fanahy Masina ao anatinao, eo am-
pandohalehan, dia mivavaha amin’ny alalan’ny fametrahana ireto fanontaniana ireto :
1. Moa misy zavatra eo amin’ny fiainako izay misakana ahy tsy handray ny
firotsahan’ny Fanahy Masina ?
2. Moa misy fahotana mamitsaka lalina izay tsy mbola niaikeko na nodinihko ?
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
42
3. Moa misy olona nomeko fanafintohinana ve na nampalaheloviko izay tokony
hangatahako famelana ?
4. Moa ve aho nanaiky amin’ny fahafenoany ny famelan’Andriamanitra, na, sa mbola
mamisavisa fahatsapana fahamelohana ?
5. Moa matoky tanteraka an’i Jesosy mba hamela ny hekoko ve aho ?
Fizarana faharoa
Fisaitsainana momba ny Toro-hevitr’Andrimanitra
Amim-pisaintsainana lalina dia vakio ny teny nalaina tao amin’ny Vavolombelona Mahery, p.
Tonga tamin’ny mpianatra izay niandry sy nangataka tamin’ny fahafenoany izay nahatratra ny
fo rehetra, ny Fanahy. Niseho tamin-kery tamin’ny fiangonany Ilay tsy manam-petra. Tahaka
ny voatana sy voafehy izany hery izany nandritra ny fotoana ela, ary ankehitriny
maharavoravo ny lanitra ny ahazoany mandrotsaka ny harem-pahasoavan’ny Fanahy amin’ny
fiangonana. Koa noho ny hery miasa mangina avy amin’ny Fanahy, dia nifangaro tamin’ny
fibebahana sy fiaiken-keloka ny hira fiderana noho ny fahotana voavela. Teny fisaorana sy
faminaniana no re. Niondrika ambany ny lanitra manontolo hijery sy hankalaza ny
fahendren’ny fitiavana tsy misy toa azy, tsy takatryn ny saina. Tolagaga ny apostoly ka niloa-
bava hoe : « Izao no fitiavana ». Noraisiny ny fanomezana nozaraina taminy. Ary inona no
nitranga ? Nanavatsava làlana tao amin’ny tsy finoana ny sabatry ny Fanahy vao noranitina
tamin’ny hery sy naroboka tao amin’ny tselatry ny lanitra. Anarivony no niova fo indray
andro.
« Mahatsara anareo ny fialàko », hoy Kristy tamin’ny mpianany; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy
ho avy aminareo ny Mpananatra; fa raha handeha Aho, dia hirahiko hoy aminareo Izy. Fa
raha tonga ny Fanahin'ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin'ny marina
rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy
aza dia hambarany aminareo. » (Jaona 16: 7, 13).
Ny niakaran’i Kristy tany an-danira no famantarana fa handray ny fitahiana nampanantenaina
ny mpanaraka Azy. Tokony hiandry an’izany izy alohan’ny hidirany amin’ny asany. Rehefa
niditra tao amin’ny varavaran’ny lanitra Kristy dia napetraka teo amin’ny seza fiandrianana
teo afovoan’ny anjely nankalaza Azy Izy. Raha vantany vao vita io lanonana io dia nidina
tamin’ny mpianatra toy ny riaka sarobidy ny Fanahy Masina ka nomem-boninahitra marina
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
43
tokoa Kristy, dia tamin’ny voninahitra niarahany nanana tamin’ny Ray hatramin’ny
mandrakizay alaovalo.
Ny firotsahan’ny Fanahy tamin’ny Pentekosta no filazan’ny lanitra fa vita ny lanonana
nandraisan’ny Mpanavotra ny asany. Arakan y teny fikasana nataony dia nalefany ny Fanahy
masina avy tany an-danitra ho an’ny mpanaraka Azy, ho famantarana fa noraisiny ny fahefana
rehetra any an-danitra sy ety an-tany amin’ny maha-Mpisorona sy Mpanjaka Azy, ary Izy no
Ilay voahosotra eo amin’ny vahoakany.
« Ary nisy lela maro mitarehin'afo niseho taminy, izay nizarazara; ary nipetraka tamin'izy
rehetra. Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin'ny fiteny maro
samy hafa, araka ny nampitenenan'ny Fanahy Masina azy. » (Asan'ny Apostoly 2: 3, 4). Naka
ny endriky ny lela afo ny Fanahy Masina ka nipetraka tamin’izay nivory. Tanddindon’ny
fanomezana natao tamin’ny mpianatra tami’izany, dia fanomezana izay nahatonga azy ireo ho
afaka hanao ny fiteny fampiasa izay tsy mbola nahazatra azy hatramin’izay. Manambara
zotom-po mafana izay tokony ho entin’ny apostoly hiasa sy ny hery izay hanarakany asany ny
fisehoan’ny afo.
« Ary nisy Jiosy, mpivavaka tsara, nitœtra tany Jerosalema, avy tany amin'ny firenena samy
hafa rehetra ambanin'ny lanitra. » (Asan'ny Apostoly 2:5). Nandritra ny fotoana
niparitahan’ny Jiosy dia nihahaka saika tamin’ny faritry ny tany rehetra misy olona izy, ary
nianatra teny salihafa tamin’ny toerana naha-sesitany azy. Maro no tao Jerosalema ireo Jiosy
ireo tamin’io fotoana io, mba hanatrika ireo fetim-pivavahana izay nisy tamin’izay fotoana
izay. Nisy solon-tena avokoa ny fiteny fantatra rehetra. Ho sakana lehibe teo amin’ny
fitoriana ny hafatry ny filazantsara io fahasamihafan’ny fiteny io ; noho izany dia tamin’ny
fomba mahagaga no namenoan’Andriamanitra ny banga teo amin’ny apostoly. Nataon’ny
Fanahy ho azy izay tsy nety ho an’ny tenany nandritra ny androm-piainany. Afaka nitory ireo
fahamarinan’ny filazantsara tany ivelany izy izao, satria nanavanana azy ny fitenin’ireo olona
nampianariny. Famantarana mazava tsara ho an’izao tontolo izao io fanomezana mahagaga io,
fa mitondra ny tombokasen’ny lanitra ny asa nampanaovina azy. Hatramin’io fotoana io dia
nadio, tsotra sy nazava ny fitenin’ny mpianatra raha nampiasa ny fitenin-drazany, na fiteny
vahiny izy.
« Ary nony re izany feo izany, dia niangona ny olona maro ka very hevitra, fa samy nahare
azy ireo niteny tamin'ny fiteniny avy izy rehetra. Dia talanjona sady gaga izy rehetra ka nanao
hœ: Indreo, tsy Galiliana va ireo rehetra miteny ireo? Koa ahoana no andrenesantsika amin'ny
fitenintsika avy izay nahabe antsika ? »
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
44
Romotra dia romotra ny mpisorona sy ny mpanapaka nahita izany fisehoan-javatra izany, nefa
tsy sahy nampiasa ny faharatsiam-panahiny noho ny tahony hiharan’ny herisetran’ny
vahoaka. Efa novonoiny Ilay Nazareana, indreto anefa ny mpanompony, Galiliana tsy nahita
fianarana, manambara ny tantaran’ny fiainany sy ny asany amin’ny fiteny nampiasaina
tamin’izany. Tapa-kevitra ny mpisorona ny hilaza fa avy amin’ny fomba voajanahary no
nihavian’ny hery mahagaga teo amin’ny mpianatra ka nolazainy fa mamao izy ireo noho ny
nisotroany betsaka tamin’ny divay vaovao nomanina ho an’ny andro firavoravoana. Nisy tsy
nahalala mihitsy ny olona nanatrika ka nandray io lafin-kevitra io ho fahamarinana, fa ny
manan-tsaina kokoa dia nahafantatra fa diso izany ; ary izay nahay ireo fiteny samihafa dia
vavolombelon’ny fahaizan’ny mpianatra nampiasa ireo fiteny ireo.
Ho valin’ny fiampangana nataon’ny mpisorona dia nasehon’i Petera fa fanantanterahana
mivantana ny faminanian’i Joela izao fisehoan-javatra izao, izay nanambarany mialoha fa ho
tonga amin’ny olona amin’ny hery toy izany, mba hahatonga azy ho afaka hanao asa
manokana. « Ry lehilahy Jiosy sy izay rehetra monina eto Jerosalema, aoka ho fantatrareo
izao, ka henoy ny teniko: « Tsy mamo araka ny hevitrareo tsy akory ireo, fa vao ora fahatelo
ihany izao ny andro. Fa izao ilay nampilazaina an'i Joela mpaminany hœ: « Ary amin'ny
andro farany, hoy Andriamanitra, no handatsahako ny Fanahiko amin'ny nofo rehetra; Ary ny
zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo haminany, Ary ny zatovonareo hahita fahitana, Ary
ny lahiantitrareo hanonofy; ary ny mpanompoko, na lahy na vavy, dia handatsahako ny
Fanahiko amin'izany andro izany, ka dia haminany izy » (Asan'ny Apostoly 2: 14-18).
Nijoro ho vavolombelon’ny fahafatesan’i Kristy sy ny fitsanganany tamin’ny maty tamin’ny
fomba mazava sy mahery i Petera : « Ry lehilahy Isiraely, mihainoa izao teny izao: Jesosy avy
any Nazareta, lehilahy nasehon'Andriamanitra teo aminareo tamin'ny asa lehibe sy ny
fahagagana ary ny famantarana izay nampanaovin'Andriamanitra Azy teo aminareo, tahaka
ny fantatrareo ihany, Izy …. dia nohomboanareo sy novonoinareo tamin'ny tanan'ny olona
tsy tan-dalàna; fa Andriamanitra nanangana Azy, rehefa nahafaka ny fanaintainan'ny
fahafatesana, satria tsy laitr'izany hohazonina Izy. »
Tsy ny fampianaran’i Kristy no nampiasain’i Petera hanaporofoana ny heviny ; fantany
mantsy fa nisy hevitra efa nibahana dia nibahana tao an-tsain’ny mpino, hany ka tsy hisy
vokany ny teniny mikasika izany. Tsy izany no nataony fa i Davida no noresahiny taminy,
izay noheverin’ny Jiosy ho anankiray amin’ny patriarky ny fireneny : « Nijery an'i Jehovah
teo anatrehako mandrakariva aho; satria eo ankavanako Izy, mba tsy hangozohozo aho, dia
izany no nifalian'ny foko sy niravoravoan'ny lelako; Ny nofoko koa hitœtra amin'ny
fanantenana; fa tsy ho foinao ho any amin'ny fiainan-tsi-hita ny aiko; ary tsy hamela ny Iray
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
45
Masinao ho tratry ny lò Hianao……Ry rahalahy, aoka aho mba hilaza aminareo marimarina
ny amin'i Davida patriarka, fa efa maty izy ka nalevina koa, ary ny fasany eto amintsika
mandraka androany… » « Nilaza ny fitsanganan'i Kristy, fa tsy nafoy ho any amin'ny fiainan-
tsi-hita Izy, ary ny nofony tsy tratry ny lò. Izany Jesosy izany dia efa natsangan'
Andriamanitra, ary vavolombelon'izany izahay rehetra. »
Mahaliana dia mahaliana ny toe-javatra. Indro ny olona avy amin’ny vazan-tany rehetra
hihaino ny mpianatra mijoro ho vavolombelon’ny fahamarinana araka izay ao amin’i Jesosy.
Mifanosika izy sy ny mpanapaka, molamiketrona sy maloka ny tavany noho ny hatezerana, ny
fony mbola feno fankahalana mafy fa voapentin’ny ra latsaka tamin’ny nanomboany ny
Mpanavotra an’izao tontolo izao. Nihevitr ny hahita ny apostoly ho feno horohoro noho ny
tahotra ny ho voaporitry ny tàna-maheriny sy ny vonoan’olona izy ireo, nefa nisandratra
ambonin’izay tahotra rehetra sy feno ny Fanahy no nahitany azy, mitory amin-kery ny maha-
Andriamanitra an’i Jesosy avy any Nazareta. Reny izy nanambara tamin-kasahiana fa Ilay vao
naetry vao haingana teo, natao fihomehezana sy notorotoroin’ny tànana lozabe, ka
nohomboina, Izy no Andrian’ny fiainana nasandratra eo an-kavanan’Andriamanitra
ankehitriny.
Nisy tamin’ireo nihaino ny apostoly no nandray anjara lehibe tamin’ny nanamelohana an’i
Kristy sy ny nahafatesany. Nifangaro tamin’ny an’ireo faikan’olona ny feony niantsoantso ny
hanomboana Azy. Raha nijoro teo anatrehany tao amin’ny fitsarana Jesosy sy Barabasy ka
nanontany i Pilato hoe : « Iza moa no tianareo halefakoho anareo ? » dia niantsoantso izy ireo
hoe : Tsy ilehio fa Barabasy ». Rehefa nalefan’i Pilato ho eo am-pelatànany Kristy dia hoy
izy : « Entonareo Izy, ka homboy amin’ny hazo fijaliana ; fa izaho tsy mahita izay helony ».
« Afaka amin’ny ran’ity Lehilahy marina ity aho », dia niantsoantso izy hoe : « Aoka ny rany
ho aminay mbamin’ny zanakay ».
Reny ankehitriny ny mpianatra manambara fa Zanak’Andriamanitra no nohomboana teo
amin’ny hazo fijaliana. Tora-kovitra ny mpisorona sy ny mpanapaka. « …Voatsindrona tam-
pony ny olona ka nanao tamin’i Petera sy ny Apostoly namany hoe : Ry rahalahy, inona no
hataonay ? » Tamin’ireo izay nihaino ny mpianatra dia nisy Jiosy tia vavaka, izay nino
tamin’ny fo madio. Ny hery nanampy ny tenin’ny mpandaha-teny dia nandresy lahatra azy fa
tena Mesia tokoa Jesosy.
Ary hoy Petera taminy: « Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy
Kristy hianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny
fanomezana, dia ny Fanahy Masina; fa ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho
an'izay rehetra lavitra, na iza na iza hantsoin'i Jehovah Andriamanitsika hanatona Azy. »
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
46
Nasesik’i Petera tao an-tsain’ny olona resy lahatra fa voafitaky ny mpisorona sy ny
mpanapaka izy no nandavany an’i Kristy ; ary raha mbola nitohy nijery ireo olona ireo
hanoro-hevitra azy izy, ka hiandry azy ireo hampanaiky azy an’i Kristy vao ho sahy hanao
izany dia tsy hanaiky azy na oviana na oviana. Na dia nilaza ny tenany ho manana toe-panahy
araka an’Andriamanitra aza ireo olona manan-kery ireo dia feno hambom-po hikatsaka ny
harena sy ny voninahitra ara-nofo. Tsy vonona ny hanatona an’i Kristy mba handray ny
fahazavana izy.
Noho ny hery miasa mangina avy amin’io fanazavana avy any an-danitra io dia nazavateo
anatrehan’ny mpianatra sy namirapiratra toy ny fahamarinana tanteraka ny Soratra Masina
izay efa nohazavain’i Kristy taminy. Nesorina izao ny labma izay nanakana azy tsy hahita ny
fiafaran’izay nofoanana, ka azony tamin’ny fomba mazava tanteraka ny anton’ny iraka
nampanaovina an’i Kristy sy ny toetran’ny fanjakany. Azony natao ny niteny tamin-kery ny
amin’ny Mpamonjy ; koa rehefa novelariny tamin’ny mpihaino azy ny drafitry ny fanavotana,
dia maro no nanaiky sy resy lahatra. Voaroaka tsy tao an-tsainy ny lovan-tsofina sy ny
finoanoam-poana nalentiky ny mpisorona ary nekeny ny fampianaran’ny Mpamonjy.
« Ary izay nandray tsara ny teniny dia natao batisa; ary tokony ho telo arivo no olona
nanampy ho isany tamin'izany andro izany. »
Noheverin’ny mpitarika Jiosy fa hifarana amin’ny fahafatesan’i Kristy ny asany ; tsy izany
anefa no izy, fa nanatri-maso ny toe-javatra mahagaga tamin’ny andro Pentekosta izy. Nandre
ny mpianatra izay voahosotry ny hery tsy mbola fantatra hatramin’izao izy, mitory an’i Kristy
ary nohamafisin’ny famantarana sy ny fahagagana ny teniny. Tao Jerosalema, izay manda
mafin’ny fivavahana Jiosy, dia an’arivony no nanambara ampahibemaso ny finoany an’i
Jesosy avy any Nazareta ho Mesia.
Talanjona sy diboky ny hafaliana ny mpianatra noho ny habetsahan’ny fanahy nojinjaina. Tsy
noheveriny ho vokatry ny ezaka nataon’ny tenany io famoriana fanahy mahagaga io ; tsapany
fa niditra tao amin’ny asan’ny olona hafa izy. Hatramin’ny nahalavoan’i Adama dia efa
nankinin’i Kristy tamin’ny mpanompo izay nofidiny ny voan’ny teniny, mba hafafy ao
amin’ny fon’ny olombelona. Namafy voan’ny fahamarinana sy nanondraka azy tamin’ny rany
Izy nandritra ny fiainany teto amin’ity tany ity. Vokatr’io famafazana ion y fibebahana niseho
tamin’ny Andro Pentekosta, vokatra nojinjainatamin’ny asan’i Kristy izany manambara ny
herin’ny fampianarany. Raha ny fonjan-kevitra nentin’ny apostoly fotsiny, na dia mazava sy
maharesy lahatra aza, dia tsy ho nanala ny hevitra nibahana tao an-tsain’izy ireo izay efa
nanohitra zavatra hita mazava dia mazava. Zana-tsipika maranitry ny Tsitoha ny tenin’ny
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
47
apostoly, izay nampiaiky ny olona ny amin’ny heloka mahatsiravina nataony tamin’ny
nandavany sy nanomboany ny Tompon’ny voninahitra.
Fizarana fahatelo :
Fampiharana ny Toro-hevitr’Andriamanitra
Manantena zava-mahagaga
Ny vokatra mahagaga nandraman’ny mpianatra tamin’ny Andro Pentekosta dia vokatry ny
andiana toe-javatra telo farafahakeliny. Ireo toe-javatra ireo dia niara-nitranga tamn’ny
fotoana mety indrindra . (1) Noharabain’ny Rainy tafaverina soa aman-tsara ny Tompontsika
Izay niakatra, (2) nanaomana ny fony ny mpianatra ary (3) ny voan’ny filazantsara nafafin’i
Jesosy dia namoa ho amin’ny fijinjana be voninahitra. Rehefa tonga ny fotoana ka voaomana
ny fo tamin’ny alalan’ny vavaka tamin-kitsim-po, ny fanandraman’ny finoana lalina kokoa,
ary ny fiaiken-keloka marina, tamin’izay araka ny baikon’ny lanitra, dia narotsaka ny Fanahy
Masina.
1. Inona no « marika » ho an’ny mpanaraka an’i Kristy fa vonona izao ny lanitra
manontolo handrotsaka ny Fanahy Masina ? (jereo Vavolombelona Mahery, p. 36)
_____________________________________________________________________
_____________________________________________________________________
2. Inona no tena « fanomezam-pahasoavan’ny fiteny tsy fantatra » marina ? Inona no
anton’ny fanomezam-pahasoavan’ny fiteny tsy fantatra ? (jereo Asa 2:5,6 sy
Vavolombelona Mahery, p. 37)
_____________________________________________________________________
_____________________________________________________________________
3. Inona no ambaran’ny fandrotsahana ny fanomezan’ny fiteny tsy fantatra tamin’ny
Pentekosta momba an’Andriamanitra aminao? Inona no lesona entin’izany ho an’ny
fiangonana amin’ny taon-jato fahiraika ambin’ny roapolo ? (jereo Asa 2 : 7, 8 ; 1
Korintiana 12 : 1-13 ; Vavolombelona Mahery, p. 39)
_____________________________________________________________________
_____________________________________________________________________
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
48
4. Inona no faminanian’ny Testamenta Taloha notanisain’i Petera hanaporofoana fa tena
izy io firotsahan’ny Fanahy Masina tamin’ny Andro Pentekosta io ? (jereo Joela 3:1, 2
sy Vavolombelona Mahery, p. 38)
_____________________________________________________________________
_____________________________________________________________________
A. « ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo » - tsy misy fanavahana na lahy na vavy
ny fanomezana ny Fanahy Masina
B. « ny lahiantitrareo … ary ny zatovonareo » - tsy misy fanavahana taona ny
fanomezana ny Fanahy Masina
D. « ny ankizilahinareo…ny ankizivavinareo » - tsy misy fanavahana toerana ara-tsosialy
na ara-toekarena ny fanomezana ny Fanahy Masina
Harotsaka amin’ny « nofo rehetra » ny Fanahy Masina. Ny fanomezan’ny Fanahy Masina dia
tsy natokana ho an’ny olona sasantsasany miavaka manana toe-panahy ambony indrindra
noho ny hafa. Izany dia omen’Andriamanitra ho an’izay rehetra mahafeno ny fepetra. Izany
dia natao ho an’izay rehetra tonga ka mikatsaka Azy amin’ny fo tokoa, miaiky ny helony ary
mino ny teny fikasany (jereo Vavolombelona Mahery, p. 40)
Inona no fiantraikan’ny fitoriana nataon’ny mpianatra teo amin’ny mpitarika Jiosy sy ny
vahoaka tao Jerosalema, ary tamin’ny mpianatra ihany koa ?(jereo Vavolombelona Mahery, p.
37)
5. Akony teo amin’ny mpitarika Jiosy
_____________________________________________________________________
_____________________________________________________________________
6. Akony teo amin’ny mpianatra
_____________________________________________________________________
_____________________________________________________________________
7. Akony teo amin’ny vahoaka
_____________________________________________________________________
_____________________________________________________________________
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
49
Rehfa narotsaka tamin’ny fahafenoany ny Fanahy Masina dia ten goavana ny fiantraikany.
Rehefa manokatra ny fontsika mba hirotsahan’ny Fanahy Masina isika, dia hanana akony
lehibe koa amin’ireo manodidina antsika. Hampiasa antsika Andriamanitra amin’ny fomba
mahery vaika hanatratra ny hafa ho an’ny fanjakany. Afaka manampo isika fa ho sokafan’
Andriamanitra ireo varavaran’ny fahafaha-manao tsy nampiasaina mba hitoriana ny teniny
amin’ny fianakaviantsika, ny namantsika, ny mpifanolo-bodirindrina ary ny mpiara-miasa.
Rehefa manao vavaka fanelanelanana ho an’ny olona eo amin’ny faritry ny hery miasa
manginantsika isika, Andriamanitra kosa dia « hanao mihoatra lavitra noho izay
angatahintsika na eritreretintsika » (Efesiana 3 : 20). I William Carey, izay nantsoina hoe
rain’ny fanaovana iraka moderina, dia nampoisika ny mpanaraka azy nanao hoe : « Aoka
hanampo zava-dehibe avy amin’Andriamanitra, manaova zava-dehibe ho an’Andriamanitra ».
Mangataha amim-pinoana mba handray ny zavatra rehetra omanin’Andriamanitra ho anao.
Azonao atao ny hanantena Azy hiasa amin’ny fomba izay hahagaga anao.
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
50
ANDRO FAHADIMY
FIRAISANA FENO FITIAVANA
Taona maro lasa izay, teo amin’ny fotoana voalohandohan’ny asa fanompoana nataoko, dia
nasaina hitarika Herinandron’ny Fanizingizinana Ara-panahy aho, tao amin’ny Sekoly
kristiana ambaratonga voalohany iray. Rehefa nandroso ny herinandro dia nazava tamiko fa
nanana olana lehibe ny mpampianatra anankiroa. Ny fihetsika tsy mahomby ifanaovan’ny
andaniny sy ankilany tsy tapaka dia nihoampampana amin’ny fivorian’ny mpiasa. Rehefa
nanao soso-kevitra ny iray dia nanohitra ny iray. Rehefa samy ao amin’ny fivoriana ny roa
tonta dia mavesatra ny rivo-piainana. Hita niharihary fa tsy nifankatia izy ireo.
Rehefa nanakaiky ny faran’ny herinandro dia nanao lahateny momba ny vavaka lehibe
fanelanelanana ao amin’ny Jaona 17 aho. Efa nanakaiky ny fotoana handaozan’i Jesosy ny
mpianany. Tsy ho ela dia hisy hamadika Azy ary hohomboana amin’ny hazo fijaliana Izy.
Hitsangana avy ao am-pasana Izy ary hiakatra ho any amin’ny Rainy. Ny vavaka tamin-
kitsimpo nataony dia nitaratra izay zavatra tao anatin’ny fony. Izany dia nanambara izay
nameno ny sainy mialoha indrindra ny hahafatesany eo amin’ny hazo fijaliana. Liana ny
amin’ny firaisan’ny fiangonany ny Mpamonjy. Nivavaka Izy nanao hoe : « Mba ho iray ihany
izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao aminao, mba ho ao amintsika koa
izy; mba hinoan'izao tontolo izao fa Hianao no naniraka Ahy. » (Jaona 17:21). Naniry fatratra
Kristy mba hitsaharan’ny disadisa, ny fialonana, ny fiadiana ny ho ambony, ary ny fifandirana
teo amin’ny mpianany. Nivavaka Izy mba haneho ny herin’ny fitiavany ny firaisan’izy ireo na
teo aza ny fahasamihafana rehetra teo aminy.
Rehefa nitory momba ny fanirian’ny fon’i Jesosy tamin’ireo mpianatra sy mpampianatra aho
dia nisy zavatra nisongadina nitranga. Ny takariva farany tamin’ilay herinandron’ny
fanizingizinana ara-panahy dia nanomana fanasan-tongotra izahay ary fandraisana ny
fanasan’ny Tompo. Niditra an-tsehatra ny Fanahy Masina. Niasa tamin’ny fomba mahery
vaika Andriamanitra. Ireo mpampianatra anankiroa izay niaina tsy fifankazahoana toy izany
dia indreo fa nandohalika teo an-tongotry ny andaniny sy ankilany. Nanapaka ny efitra
nampisaraka ny Fanahy Masina. Nifanoroka izy ireo, nifampiaiky ny fihetsika tsy mahomby
nataony ary niara-nivavaka.
Ny faniriana ny toerana ambony nofoanana
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
51
Ny mpianatra talohan’ny Pentekosta koa dia nanana fihetsiky ny hambom-po feno fitiavan-
tena. Natosiky ny fanirian-janany ny toerana ambony ny renin’i Jakoba sy Jaona dia
nangataka tamin’i Jesosy mba hananan’izy ireo toerana miavaka ao amin’izay ninoany fa
fanjakana eto an-tany ho avy tsy ho ela.
« Hoy ravehivavy taminy: Mandidia mba hipetrahan'ireto zanako roa lahy ireto, ny anankiray
ho eo amin'ny ankavananao, ary ny anankiray ho eo amin'ny ankavianao, ao amin'ny
fanjakanao. » (Matio 20:21). Io fangatahana io, mazava ho azy, dia nitondra ho amin’ny
fialonanaary fisarahana teo amin’ny mpianatra hafa. Tsy vonona tsotra izao ho amin’ny
firotsahan’ny Fanahy Masina amin’ny herin’ny Pentekosta izy ireo. Izany dia anisan’ny
antony lehibe izay namporisika azy ireo handany folo andro amin’ny fiaraha-mivavaka ao
amin’ny Efitrano Ambony. Satria ny firaisana dia tsy maintsy mialoha ny firotsahan’ny
Fanahy Masina.
Rehefa nitady an’Andriamanitra tamin’ny vavaka izy ireo, dia nanakambana ny fony tao
amin’ny fitiavana kristiana ny Fanahy Masina. « Ireo rehetra ireo niray saina naharitra
nivavaka mbamin'ny vehivavy sy Maria, renin'i Jesosy, ary ny rahalahiny. » (Asan'ny
Apostoly 1:14). Mitohy ny fitantarana ao amin’ny Asan’ny Apostoly 2 :1: « Ary nony tonga
ny Andro Pentekosta, dia teo amin'ny fitœrana iray izy rehetra. » Raha manao filazalazana
momba ny fanandraman’ny mpianatra tao amin’ny Efitrano Ambony Ellen White dia
manambara toy izao :
Mariho fa taorian’ny nahatongavan’ny mpianatra teo amin’ny firaisana tanteraka, rehefa tsy
niady intsony ny toerana ambony izy ireo, vao nirotsaka ny Fanahy. Niray saina tanteraka izy
ireo. Napetraka ny fahasamihafana rehetra. Ary ny tatitra momba azy ireo taorian’ny
nanomezana ny Fanahy dia nitovy. Mariho ny teny : « Ary niray fo sy fanahy ny olona rehetra
izay nino » (Asa 4:32). Ny Fanahin’Ilay maty mba hahatonga ny mpanota ho velona dia
nanetsiketsika ny fiangonan’ny mpino manontolo.
Tsy nangataka fitahiana ho an’ny tenany manokana ny mpianatra. Novesaran’ny
enta-mavesatry ny fanahy izy ireo. Nentina hatrany amin’ny faran’ny tany ny filazantsara, ary
nitaky ny fanafiana azy amin’ny hery izay nampanantenanin’i Kristy izy. Tamin’izany vao
narotsaka ny Fanahy Masina, ary an’arivony no niova fo indray andro. (Testimonies for the
Church, vol8, p. 20, 21).
Nandritra ireo folo andro tao amin ‘ny Efitrano Ambony ny mpianatra dia niaiky ny
fahadisoany tamin’izy samy izy. Nanenina ny amin’ny fialonany sy ny
fireharehany/avonavony izy. Ny fony dia feno ny fitiavana an’i Kristy izay nanome ny ainy
ho azy ireo ary ankehitriny manao fanelanelanana ho azy ireo eo amin’ny seza
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
52
fiandrianan’Andriamanitra. Voasarona tao amin’ny fitiavana an’i Kristy ireo hambom-po feno
fitivan-tena. Nahatsapa ireo mpianatra fa « ny firaisana amin’i Kristy dia nampiorina ny
fatoram-pifandraisana teo amin’izy samy izy. Io firaisana io no porofo nandresy lahatra
indrindra ho an’izao tontolo izao ny amin’ny fahalehibiaana sy ny tombam-bidin’i Kristy, ary
ny an’ny heriny manafaka ota » (Eleen G. White Comments, The Seventh-day Adventist Bible
Commentary, vo 5, p. 1148)
Ny fototry ny firaisana ara-Baiboly
Izany dia mitarika antsika ho amin’ny fanontaniana sasantsasany mahakasika ny firaisana.
Moa ve ny firaisana midika fa tsy misy fahasamihafan-kevitra ? Amin’ny fomba ahoana no
nahazoan’ny mpianatra izay nanana toetoetra samihafa toy izany niditra ho amin’ny firaisana
tanteraka ? Moa ve ny firaisana midika ho fandevenana ny maha-isika antsika manokana ao
amin’ny maha-iray ny hevitra avy amin’Andriamanitra ? Ireto misy foto-kevitra fototra izay
mamorona ny fototry ny firaisana noresahin’i Kristy :
1. Manana Mpamorona iombonana isika. Andriamanitra nanao ny firenena rehetra avy
min’ny iray ihany. Iray isika satria iray ny Raintsika. Izy ny namorona antsika (Asa
17 :26)
2. Manana Mpamonjy iray isika. Iray isika satria nanavotra antsika Izy (Efesaina 2 : 14-
22)
3. Manana lova iombonana isika. Anisan’ny tenan’i Kristy isika, nomen’Andriamanitra
fanomezam-pahasoavana ho amin’ny asa fanompoana. Ny sasany manana
fanomezam-pahasoavana lehibe kokoa, nefa ny mpino tsirairay dia samy manana
fanomezam-pahasoavana sarobidy ho an’ny fandrafetana ny tenan’i Kristy (1
korintiana 12 : 444 ; 1821)
4. Manana hafatra iombonana isika. Tafaray ny mpianatra tamin’’ny alalan’ny Iraka
Lehibe nomen’i Kristy hanatratra izao tontolo izao amin’ny filazantsara. Ny hambom-
pony manokana, ny fireharehany/avonavony ary ny faniriany ny toerana ambony dia
levona teo amin’ny alitaran’ny fanoloran-tena hitondra ny filazantsara amin’izao
tontolo izao (Matio 28 : 18-20)
Rehefa nandany fotoana nitadiavana an’Andriamanitra ny mpianatra dia niasa to amin’ny
sainy ny Fanahy Masina ka nampanaiky azy fa izy ireo dia nanana Mpamorona iray ihany,
Mpamonjy iray ihany, lova iray ihany, hafatra iray ihany ary iraka iray ihany. Ny zavatra
nampiray azy ireo dia lehibe lavitra noho ny zavatra nampiasaraka azy. Ary nahita izy ireo fa
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
53
ny zavatra nampisaraka azy dia tsy zava-dehibe velively akory. Toy izao no amaripaitan’i
Ellen White ny firaisan’izy ireo :
Nisy fahasamihafana mazava hita teo amin’ireo mpianatra voalohany. Izy ireo no ho
mpampianatra izao tontolo izao, ary naneho karazan-toetra amam-panahy samihafa dia
samihafa. Mba hisian’ny fahombiazana eo amin’ny fitondrana ny asa izay efa niantsoana azy ,
dia nilain’ireo olona ireo, izay ty nitovy teo amin’ny toetra manokana mampiavaka azy
rahateo sy fahazarana teo amin’ny fiainana, ny ho tonga teo amin’ny firaisan’ny fihetseham-
po, ny fisainana ary ny asa. Io firaisana io no zavatra manokana nokendren’i Kristy ho azo
antoka teo amin’ny asany. Noho io anton-javatra kendreny io dia nitady izay hitondrana azy
ho amin’ny firaisana Aminy Izy. Voalaza ao amin’ny vavaka nataony tamin’ny Rainy ny
entana nitambesatra taminy teo amin’ny asa notontosainy ho azy ireo : « « mba ho iray ihany
izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao aminao, mba ho ao amintsika koa
izy; mba hinoan'izao tontolo izao fa Hianao no naniraka Ahy….Izaho ao aminy, ary Hianao
ato amiko, mba ho tanteraka ho iray izy, mba ho fantatr'izao tontolo izao fa Hianao efa
naniraka Ahy sady efa tia azy tahaka ny nitiavanao Ahy. » (Jaona 17:21, 23) .
Ny an-dalan-teny hoe «firaisan’ny fihetseham-po, ny fisainana ary ny asa » dia fomba fiteny
manaitra. Inona marina moa ny firaisan’ny fihetseham-po, ny fisainana ary ny asa ? Ny
firaisan’ny fihetseham-po dia manondro ny fitiavana marina ary fifanajana. Na eo aza ny
fahasamihafan’ny toetoetra manokana, amin’ny alalan’i Kristy ireo kristiana ireo dia nanana
fifankatiavana izay niharihary tamin’ireo nandinika azy. Ny apostoly Jaona dia nanoro hevitra
ny mpino tamin’ny teny toy izao : « Ry malala, aoka hifankatia isika; fa avy
amin'Andriamanitra ny fitiavana, ary Izay rehetra tia no naterak'Andriamanitra sady mahalala
an'Andriamanitra. » (1 Jaona 4:7). Ny firaisan’ny fisainana dia manondro ny finoana
iombonana. Tafaray ao amin’i Kristy sy ny fampianarany ny mpianatra. Ny fahatokiany
amin’ny fampianaran’i Kristy no nampiray azy. Ny fahafantarany ny fahamarinana
nampianariny no nampikambana azy. Ny fanekeny ny foto-pinoana nivelomany no nanome
azy ireo zavatra nokendrena niombonana. Ny firaisan’ny asa dia manondro ny fahafantarany
sy ny fanekeny ny iraka tanterahiny. Ny mpianatra dia nifantoka tamin’ny fanatanterahana ny
andraikitra nomen’ny Tompo azy. Feno zotom-po izy ireo momba ny fitoriana ny hafatry ny
fitiavany tami’nizao tontolo ireo. Nanolo-tena tanteraka tamin’ny fitoriana ny filazantsara
tamin’ny toerana rehetra azo nanaovana izany izy. Tsy navelany hibahana teo amin’ny fomba
fanatanterahana ny iraka nampanaovin’i Kristy ny toetoetra mampiavaka manokana, ny
resaka momba ny fahasamihafan’ny fijery, na ny zavatra tiana manokana. Izany dia mitarika
antsika ho amin’ny fanontaniana lehibe saro-baliana kokoa ho an’ny fiainantsika ankehitriny.
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
54
Eo am-pandohalehana, nahoana moa raha heverina amim-pivavahana ireto fanontaniana dimy
manaraka ireto ? Ataovy antom-bavaka izy ireo. Rehefa mianatra ity tari-dàlana ity ao
amin’ny sehatry ny vondrona madinika hianareo dia azonareo atao ny mifanakalo hevitra
momba ireo fanontaniana ireo mialoha ny hanaovana vavaka momba izany.
1. Moa ve misy fotoana mahatonga ny hevitro manokana hiteraka olana ao an-
tokantranoko n ny fiangonako ? Inona no tokony hataoko mba hampihena izany olana
izany ?
2. Raha manana fankahalana mambra anankiray ao amin’ny fiangonana aho dia inona no
dingana azo ampiharina tokony ho raisiko hampihena izany disadisa izany ?
3. Raha nasian-dratsy tsy ahoan-tsy ahoana aho ary mitolona mba hifandray amin’ny
olona izay nandratra ahy dia amin’ny fomba ahoana no ahazoako manao ny dingana
hampitohy indray ny elanelana nisy teo amin’ny fifandraisana ?
4. Raha mpitondra fiangonana aho, inona no azoko atao mba hamporisihana ny
firaisana ?
5. Amin’ny fomba ahoana no hahatonga ny fandraisana anjaran’ny tena manokana
hamporisika ny firaisan’ny fiangonana ? Moa ve aho mandray anjara amin’ny
famonjena fanahy amin’ny endriny sasantsasany ? Raha tsia, nahoana no tsy
mangataka an’i Jesosy mba hitarika amin’ny zavatra tiany hataoko ?
Fizarana faharoa
Fisaitsainana momba ny Toro-hevitr’Andrimanitra
Amim-pisaintsainana dia vakio ity manaraka ity izay nalaina tamin’ny Vavolombelona
Mahery, p.40-45
Hatramin’ny nahalavoan’i Adama, dia efa nakinin’i Kristy tamin’ny mpanompo izay nofidiny
ny voan’ny teniny, mba hahahy ao amin’ny fon’ny olombelona. Namafy voan’ny
fahamarinana sy nanondraka azy tamin’ny rany Izy mandritra ny fiainany teto amin’ity tany
ity ? Vokatr’io famafazana ion y fibebahana niseho tamin’ny Andro Pentekosta, vokatra
nojinjaina tamin’ny asan’i Kristy izany manambara ny herin’ny fampianarany. Raha ny
fonjan-kevitra netin’ny apostoly fotsiny, na dia mazava sy maharesy lahatra aza, dia tsy ho
nanala ny hevitra nibahana tao an-tsain’izy ireo izay efa nanohitra zavatra hita mazava dia
mazava. Zana-tsipika maranitry ny Tsitoha ny tenin’ny apostoly, izay nampiaiky ny olona ny
amin’ny heloka mahatsiravina nataony tamin’ny nandavany sy nanomboany ny Tompn’ny
voninahitra.
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
55
Notezain’i Kristy ny mpianatra mba hahatsapa ny ilàny ny Fanahy. Nampianarin’ny Fanahy
izy mba handray ny toetra nilainy farany ary nandeha nanao ny asany mnadritra ny fiainany.
Tsy olona tsy nahita fianarna sy tsy nanana kolon-tsaina intsony ireo. Tsy olona tsirairay samy
nitokantokana no nangonina, na singan-javatra tsy mifanaraka sy mifanolana. Tsy niptetraka
tamin’ny fahalehibiazana araka izao tontolo izao intsony ny fanantenany. « Niray saina »,
« niray fo sy fanahy » izy. Kristy no nameno ny eritreriny ; ny fandrosoan’ny fanjakany no
tarigetrany. Efa nanjary tahaka ny Tompony izy teo amin’ny saina sy ny toetra amam-panahy,
ka fantatry ny olona « fa efa niaraka tamin’i Jesosy izy ».
Nitondra ny fahazavana avy any an-danitra ho azy ireo ny Pentekosta. Novelarina ankehitriny
ireo fahamarinana izay tsy nety ho azony fony Kristy teo amin’izy ireo.Nekeny tamin’ny
finoana sy ny fahatokiana izay tsy fantany mihitsy talohan’izao ny fampianran’ny Teny
Masina. Tsy resaka mikasina ny finoana intsony ho azy ny maha-Zanak’Andriamanitra an’i
Kristy. Fantany izany, fa na dia nitafy ny maha-olombelona aza Izy, dia tena Mesia, koa
nambarany tamin’izao tontolo izao ny fanandramany ary nataony tamim-pahatokiana izay
nahitana fandresen-dahatra fa niaraka taminy Andriamanitra.
Afaka niteny ny anaran’i Jesosy tamim-pahatokiana izy ; tsy Sakaizany sy Zokilahiny ve Izy ?
Nifandray akaiky tamin’i Kristy ka « niara-nipetraka taminy tany an-danitra ». Teny mivaivay
manao ahoana no nentiny nilaza ny heviny raha nijoro ho vavolombelona ho Azy izy !
Nitobaka tao am-pony ny fankasitrahana feno sy lalina ary mahery indrindra, ka nanery azy
handeha hatrany amin’ny faran’ny tany izany mba hijoro vavolombelon’ny herin’i Kristy.
Fenon’ny faniriana mafy indrindra hanohy ny asa efa natombok’i Kristy izy.
Tsapany ny halehiben’ny trosany taùmin’ny lanitra sy ny andraikitra mitambesatra aminy.
Nanome hery azy ny fnosoran’ny Fanahy Masina ka nandeha feno hafanam-po hanaparitaka
ny fandresen’ny hazo fijaliana izy. Nanentana azy sy niteny tamin’ny alalany ny
Fanahy.Namirapirtra teny amin’ny endriny ny fiadanan’i Kristy. Efa nanokana ny fiainany
hanompo Azy izy, ka ny endriny mihitsy aza dia nahitana soritra ny amin’ny fanoloran-tena
efa nataony.
Nanatona ny fiafaran’ny fanompoana nataony tety an-tany Kristy fony Izy nanome ny teny
fikasana momba ny Fanahy tamin’ny mpianany. Nijoro teo amin’ny aloky ny hazo fijaliana
Izy ary tsapany tanterakany vesatry ny heloka izay hitambesatra Aminy amin’ny
maha_mpitondra fahotana Azy. Talohan’ny nanolorany ny tenany hatao fanatitra dia
nanambara tamin’ny mpianany ny mikasina ny faniomezana ilaina indrindra sy tena feno Izy,
izay harotsany amin’ny mpanaraka Azy, dia fanomezana izay hitondra ireo tahirim-
pahasoavany tsy misy fetra eo amin’izay hahazo azy. « Ary Izaho hangataka amin’ny Ray,
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
56
ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, dia ny Fanahin’ny
fahamarinana, Izay tsy azon’izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany ; fa
ianareo no mahafantatra Azy, satria mitœtra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo. » (Jaona
14 : 16, 17). Nanondro ny fotoana izay hahatongavan’ny Fanahy Masina ka hanaovany asa
mahagaga amin’ny maha-Solon-tenany Azy ny Mpamonjy. Hotoherin’ny
herin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny ratsy efa niavosa nandritra ny taon-
jato maro.
Inona no vokatry ny nirotsahan’ny Fanahy tamin’ny Andro Pentekosta ? Nentina hatrany
amin’ny faran’ny tany nisy olona ny vaovao mahafaly momba ny Mpamonjy nitsangana
tamin’ny maty. Raha nitory ny hafatry ny fahasoavana manavotra ny mpianatra, dia nisy fo
nilefitra teo amin’ny herin’io hafatra io. Nahita olona maro niova fo nanao andiany nanatona
azy avy amin’ny vazntany rehetra ny fiangonana. Niova fo indray ny nihemotra. Niaraka
tamin’ny mpino ny mpanota hikatsaka ilay perila sarobidy. Misy izay mpanohitra ny
filazantsara masiaka indrindra nanjary mpitory azy mahafatra-po. Tanteraka ny faminaniana
manao hoe : « izay mila ho reraka ao aminy aza amin’izany andro izany dia ho tahaka an’i
Davida….tahaka Ilay Anjelin’i Jehovah eo anoloany. » (Zakaria 12 :8). Fanehoanany
fitiavan’Andriamanitra sy ny halemem-panahiny no hitan’ny kristiana tsirairay teo amin’ny
rahalahiny. Zavatra iray ihany no nahaliana sy nanjaka ; anton-javatra iray ihany no
nampientana ka nanakona ny zavatra hafa rehetra ; haneho ny fitoviana amin’ny toetra amam-
panahin’i Kristy sy hiasa hanalehibe ny fanjakany no hambom-pon’ny mpino. « Ary tamin’ny
hery be no nanambaran’ny Apostoly ny nitsanganan’i Jesosy Tompo ; ary fahasoavana be no
tao amin’izy rehetra. » (Asan’ny Apostoly 4 :33)
Noho izany asany izany dia nanampy ny fiangonana ireo olona notsongaina, izay nandray ny
tenin’ny fahamarinana, ka nanokana ny fiainany ho amin’ny as fitondrana amin’ny hafa ny
fanantenana izay nameno ny fony tamin’ny fiadanana sy ny fifaliana. Tsy azon’ny
fandrahonana noterena na nampitahorina izy.Niteny tamin’ny alalany ny Tompo, ary rehefa
nandeha nifindrafindra toerana izy, dia nitoriana ny filazantsara ny mahantra, ary nisy
fahagagan’ny fahasoavan’Andriamanitra natao. Amin’ny fomba mahery toy izanyno
ahazoan’Andriamanitra miasa, rehefa manolo-tena ho fehezin’ny Fanahiny ny olona.
Tsy voafetra ho an’ny fotoan’andro iray na ho an’ny antomo-pirazanana iray ny teny fikasana
momba ny Fanahy Masina. Nambaran’i Kristy fa hiaraka amin’ny mpanaraka Azy hatramin’
ny farany ny herin’Andriamanitra miasa mangina avy amin’ny Fanahiny. Hatramin’ny
Andron’ny Pentekosta ka hantramin’izao fotoana izao dia nalefa ny Mpananatra ho an’izay
rehetra nampilefitra ny tenany tamin’ny Tompo sy ho amin’ny fanompoana azy. Tonga
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
57
tamin’izay rehetra nanaiky an’i Kristy hoMpamonjin’ny tenany manokana ny Fanahy Masina
ho mpananatra,mpanamasina, mpitarika ary vavolombelona. Arakaraka ny mahaetiety kokoa
ny niarahan’ny mpino tamin’Andriamanitra, dia arakaraka izany koa no nampahazava kokoa
sy nampahery kokoa ny teny vavolombelona nataony ny amin’ny fitiavan’ny Mpanavotra sy
ny fahasoavany mamonjy. Ny lehilahy sy ny vehivavy izay nandray tombon-tsoa betsaka
tamin’ny fanatrehan’ny Fanahy masina nandritra ireo taon-jato lasa nisin’ny fanenjehana sy
ny fizahan-toetra dia toy ny famantarana sy fahagagana teo amin’izao tontolo izao. Teo
anatrehan’ny anjely sy ny olona no nanehoany ny hery manovan’ny fitiavana manavotra.
Izay voahosotry ny hery avy any ambony tamin’ny Pentekosta dia tsy hoe afaka tamn’ny
fakam-panahysy ny fitsapana noho izany akory. Raha nijoro ho vvolombelon’ny marina sy ny
fahamarinana rehetra izy, dia notafihin’ny fahavalon’ny fahamarinana izay nitady ny
handroba ny fanandramana kristiana tao aminy. Voatery niezaka tamin’ny hery rehetra
nomen’Andriamanitra azy izy hanatratra ny ohatry ny fahafenoan’ny lehilahy sy ny vehivavy
ao amin’i Kristy Jesosy. Nivavaka isan’andro izy nagataka fanampim-pahasoavana, mba
hahazoany miakatra ambony kokoa hanatona hatrany ny fahantaterahana. Na dia osa indrindra
aza izy, teo ambanin’ny herin’ny Fanahy Masian dia nampiasa ny finoany an’Andriamanitra,
ka nianatra ny hanatsara ny hery nankinina taminy sy hanjary nohamasinina, nohatsaraina ary
nasandratra. Rehefa nilefitra tamim-panetren-tena teo amin’ny herin’ny Fanahy Masina miasa
mangina izy, dia nandray ny fanafenoan’Andriamanitra Ray sy novolavolaina hampitoviana
Aminy.
Fizarana fahatelo
Fampiharana ny Toro-hevitr’Andriamanitra
Miray ao amin’ny Iraka
Nandritra ny folo andro tao amin’ny Efitrano Ambony ny mpianatra dia niditra tao amin’ny
firaisana izay nivavahan’i Jesosy tao amin’ilay vavaka fanelanelanana lehibe ao amin’i
Jaona17. Raha vao « niray saina » izy ireo, dia vonona izy izao handray ny Fanahy Masina
nampanantenaina . Ny voa nafafin’i Jesosy nandritra ny fanompoany dia haniry hitondra
vokatra betsaka eo ambany firotsahan’ny fitahian’ny Fanahy amin’ny Pentekosta .
1. Tamin’ny fomba ahoana no nampisy akony ny fanompoan’i Jesosy teto an-tany
tamin’izay niseho tamin’ny Andro Pentekosta (jereo Vavolombelona Mahery p.40)
_____________________________________________________________________
_____________________________________________________________________
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
58
Tsy nahita ny fahafenoan’ny fivelaran’ny asany ny Mpamonjy fony tety an-tany. Raha ny
marina, rehefa maty Jesosy, dia toa tsy fahombiazana no hita teo amin’ny asany. « Amin’ny
maha-Mpamonjy izao tontolo izao, dia toa nifanehatra mandrakariva tamin’ny tsy
fahombiazana Kristy. Toa kely foana tamin’ny asa niriny hatao mba hanandratana sy
hamonjena no vitany, dia Izy Izay iraky ny famindrampo ho an’izao tontolo misy antsika
izao » (The Desire of Ages, p. 678)
Taorian’ny niakarany tamin’ny Pentekosta vao hita ny fahafenoan’ny vokatry ny asan’i
Jesosy
Raha mamariparitra ny ny fitomboan’ny fiangonan’ny Testamenta Vaovao ny apostoly Paoly
dia nampahatsiaro ny mpino Korintiana nanao hoe, « Izaho namboly, Apolosy nandena, fa
Andriamanitra no nampitombo. Ka dia tsinontsinona izay mamboly, na izay mandena, fa
Andriamanitra Izay mampitombo no izy. Ary iray ihany ny mpamboly sy ny mpandena; nefa
samy handray izay valim-pitiany avy araka ny fisasarany izy. Fa mpiara-miasa
amin'Andriamanitra izahay; ary sahan'Andriamanitra sy trano arafitr'Andriamanitra ianareo. »
(1 Korintiana 3:6-9)
Ho tonga ny fahombiazana rehetra amin’ny asan’Andraiamanitra rehefa manaiky isika fa ny
hany anjarantsika dia ny ho mahatoky amin’Andriamanitra. Mety tsy ho hitantsika na oviana
na oviana ny vokatra feno amin’ny asantsika, kanefa raha manao ny anjarantsika isika,
Andriamanitra kosa dia hampiasa olona hafa hanao ny anjarany mba hanatrarana fanahy tso-
po amin’ny filazantsara.
2. Ao amin’ny Asa 1 :14 ; 2 :1 ary 2 :46 i Lioka dia mirakitra an-tsoratra fa ny mpianatra
dia « niray saina ». Inona no dikan’izany ? Inona no hevitry ny hoe « miray saina » ho
an’ny fiangonana ankehitriny ? (jereo Vavolombelona Mahery, p. 45)
A. Ny dikan’ny hoe « miray saina » dia
_____________________________________________________________________
_____________________________________________________________________
B. Ny hevitry ny hoe « miray saina » ho an’ny fiangonana ankehitriny dia
_____________________________________________________________________
_____________________________________________________________________
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
59
3. Tamin’ny fomba nanao ahoana no nitondran’ny firotsahan’ny Fanahy Masina
tamin’ny Andro Pentekosta fahasamihafana teo amin’ny fijoroana
vavolombelonanataon’ny mpianatra ? (jereo Asa 4 :20, 31, 33 ; 5 :42 ; ary
Vavolombelona Mahery, p. 41
_____________________________________________________________________
_____________________________________________________________________
4. Inona no vokatry ny firotsahan’ny Fanahy Masina tamin’ny Andro Pentekosta ? (jereo
Asa 2 :41 ; 4 :4 ; 5 :15 ; 6 :7 ; 9 :31 ary Vavolombelona Mahery, p. 43-44
_____________________________________________________________________
_____________________________________________________________________
5. Moa ve ny fampanantenan’i Kristy ny Fanahy Masina voafetra ho an’ny mpianatra
tamin’ny Pentekosta ihany ? (jereo Lioka 11 :13 sy Vavolombelona Mahery, p. 44)
_____________________________________________________________________
_____________________________________________________________________
Ny teny fikasana momba ny Fanahy Masina dia ho an’ny taranaka rehetra. Te-hanao zavatra
bebe kokoa ao amintsika sy amin’ny alalantsika Andriamanitra, dia zavatra izay tsy azontsika
vinaniana. Rehefa manakakiky ny farany, dia haverina amin’ny fatrany bebe kokoa ny
Pentekosta. Harotsaka amin’ny fahafenoany ny herin’Andriamanitra hamitana ny asany eto
an-tany. Raha miditra amin’ny firaisana mifototra amin’ny hafatra iombonana, hetsika
iombonana ary iraka iombonana ny vahoakan’Andriamanitra dia handrotsaka ny Fanahiny
Masina Andriamanitra amin’ny fatra be dia be ho famitana ny asany eto an-tany.
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
60
ANDRO FAHENINA
FANDINIHAN-TENA
Tamin’ny Pentekosta dia tonga ny fotoana, ary vonona ny mpianantra. Niaktra ho any
amin’ny Rainy i Jesosy. Nekena teo amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra ny fanatitra
nataony. Rehefa izany dia nandray avy tamin’ny Rainy ny Fanahy Masina nampanantenaina
ho an’ny mpianany tety an-tany Izy mba hamitana ny iraka nomen’Andriamanitra azy.
Nanaraka ny toro-hevitry ny Tompontsika izy ireo. Nikatsaka Azy tamim-bavaka izy. Nanao
fanandramana ny amin’ny fibebahana marina tokoa avy amin’ny fo izy ireo niaiky ny
fahotana manokana izay nampahatsiahivin’ny Fanahy Masina azy. Nandritra ireo folo andro
tao aùin’ny Efitrano Ambony dia nanatona bebe kokoa ny firaisana kristiana izy ireo.
Mitantara i Lioka fa « niray fo sy fanahy ny olona rehetra izay nino. » (Asan'ny Apostoly
4:32) . Napetraka ny fialonana madinidinika rehetra. Nofoanana ny adiady sy fanaovana
tsinontsinona ny hafa. Novahana ny tsy fifanarahana manokana. Nazera ny sakantsakana
rehetra.
Na dia tsy manome fitantarana amin’ny tsipiriany ny amin’izay zavatra nitranga marina tao
amin’ny Efitrano Ambony aza ny Baiboly, dia manome antsika fampahalalana ampy mba
hanoritsoritana izay nitranga tao. Ny fanomezam-pahasoavan’ny faminaniana moderina dia
manampy antsika hameno ny tsipiriany amin’izany fanoritsoritana izany ary manazava ny
fitantaran’ny Baiboly. Ny anankiray amin’ny tsipiriany lehibe tokoa tondroin’i Ellen White
dia ny hoe : « Andro nandinihany lalina ny fony ireo andro fiomanana ireo. Tsapan’ny
mpianatra izay nilainy teo amin’ny ara-panahy, ka nitaraina tamin’ny Tompo izy hahazo ny
hosotra masina izay hahatonga azy ho afaka hanao ny asa famonjem-panahy »
(Vavolombelona Mahery, p. 35). Ny folo andro ao amin’ny Efitrano Ambony dia andro
nanaovana fandinihana fatratra ny fo. Ireo dia andro fisaintsainana sy fandinihan-ten .
« Taorian’ny niakaran’i Kristy, dia niangona tamin’ny toerana iray ny mpianatra nanao
fangatahana feno fanetren-tena amin’Andriamanitra. Ary taorian’ny folo andro nandinihana
ny fo sy ny tena, dia vonona ny mpianatra ho amin’ny fidiran’ny Fanahy Masina amin’ny
tempoly fanahy voadio sy nohamasinina » (Evangelism, p. 698). Nirin’ny mpianatra ny
hahazo antoka fa tsy nisy fihetsika na fahazarana teo amin’ny fiainany izay mety ho nisakana
ny firotsahan’ny Fanahy Masina. Nandany ny fotoanany tamin’nyfandinihana ny fony izy.
Niriny ny hahazo antoka fa madio ny antony manosika azy.
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
61
Mandinika ny fontsika
Ao anatin’ny Baiboly manontolo Andiamanitra dia manoro hevitra antsika handany fotoana
handinihana ny fonsika. Ny apostoly Paoly dia mamporisika antsika mba « hitandrina tsara,
fandrao hisy hiala amin'ny fahasoavan'Andriamanitra; fandrao hisy faka mangidy mitsimoka
hampikorontana, ka ho voaloto ny maro; » (Hebreo 12:15). Ny faka dia mamokatra rantsana
ary ny rantsana mamokatra voa. Raha misy faka mangidy ao am-ponao, dia hamokatra
rantsan’ny fahatezerana, fitsikerana, na fifosana, ary hiafara amin’ny voa mampidi-dozan’ny
fifandraisana tapaka. Ny faka feno ota rehetra dia hiteraka voktra ratsy.
Taona maro lasa izay, izaho sy ny vadiko dia nitsidika an’i Fort Ticonderoga any New
Hampshire. Io toby miaramila tamin’ny Ady io dia lasa toeram-pitsangatsanganana
fitehirizana ny rakitry ny ela momba ny tafika nanomboka tamin’ny 1775 hatramin’ny 1779.
Noho ny fahafantarako fa ny mpizaha tany sasany dia nahita foana lohan-jana-tsipika teo
akaikin’ny rindrin’ny toby, dia nanontany ny mpitarika ny amin’izay toerana ahitana izany
aho. Nitsiky izy ary namaly moramora nanao hoe, « mahitsy eo akaikin’ny vavahady lehibe ».
Somary gaga aho. Amin’ny fomba ahoana no tokony hampisy lohan-jana-tsipika eo kanefa
olona an’arivony no miditra ny vavahady isan-taona ? Nahoana no tsy nahita izany izy ireo
teo aloha ? Nanazava ny mpitarika fa ny fotoana tsara indrindra ahitana ireo lohan-jana-
tsipika ireo dia rehefa mitsonika ny ranomandry amin’ny lohataona ka mitondra azy ireny eny
ambonin’ny tany aorian’ny ririnina lava be any New England. Nieritreritra imbetsaka ny
amin’ny fanazavan’ilay mpitarika anay aho. Ny lohan-jana-tsipika dia santimetatra kely foana
ao ambany tany, nefa dia mila ny hafanan’ny lohataona hampipoitra azy. Moa ve ny lohan-
jana-tsipikan’ny fahotana mamitsaka ao am-ponao ka ny oran’ny Fanahy Masina no afaka
hitondra azy hivoaka ety ivelany ? Ny mpanjaka Davida dia nivavaka hoe : « Diniho aho,
Jehovah ô, ka fantaro; izahao tœtra ny voako sy ny foko. Fa ny famindram-ponao no eo
anoloan'ny masoko; ary mandeha amin'ny fahamarinanao aho. » (Salamo 26: 2, 3)
Rehefa mijery ny famindrampon’Andriamanitra isika ka mandinika ny fahamarinan’ny
toetrany dia mahatsapa ny fahalementsika, ny tsy fahatanterahantsika ary ny fahotantsika. Eo
amin’ny fahazavana mamirapiratry ny fitiavany tsy misy fepetra sy ny fahatanterahany dia
manetry tena ny fontsika. Voasarika ho amin’ny fiaiken-keloka lalina sy ny fibebahana isika.
Mitalaho Aminy isika, mangataka ny famonjena sy ny fahamarinana izay Izy irery ihany no
afaka manome izany. Rehefa hodidinin’ny fahamasinany isika dia miantsoantso toy ny
mpaminany Isaia hoe « Lozako, maty aho ! ». Ny fandinihan-tena dia mety tsy ho
fananandramana mahafinaritra indrindra, kanefa ilaina. Ao amin’ny fandinihan-tena isika dia
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
62
manontany an’Andriamanitra, « Moa ve misy zavatra tsy mifanaraka amin’ny sitraponao? ».
Mivavaka isika manao hoe, « Tompo o ! asehoy ireo fihetsika sy toetra lalina ao amin’ny
fanahiko izay tsy mitovy amin’ny an’i Jesosy ».
Ohatra tsotra momba ny fandinihan-tena
Manome antsika ohatra tsotra momba ny ilàna fandinhan-tena Ellen White. « Ao amin’ny
fianakaviana raha misy mambra anankiray very lavitra an’Andriamanitra dia tokony hatao ny
fomba rehetra hamerenana azy. Avy amin’ny sisa rehetra dia aoka hisy fandinihan-tena amim-
pitandremana. Aoka mba hanaovana fanadihadiana ny fomba amam-panao eo amin’ny
fiainana. Jereo sao misy fahadisoana teo amin’ny fitantanana izay nahatonga ny fanahy
hanota » (Christ Object Lesson, p. 194). Mety hampangirifiry ny fandinihan-tena. Ny Fanahy
Masina dia mety haneho zavatra momba antsika izay tsy fantatsika teo aloha. Misy lafin-
toetra izay tsy tsapantsika akory mety hipoitra. Andriamanitra tsy maneho ireny toetoetra tsy
mifanaraka amin’i Kristy ireny mb hahakivy antsika. Asehony izy ireny mba hahazoantsika
miaiky heloka sy mitondra azy ireny eo Aminy mba handraisana ny famelan-keloka sy
fanadiovana. Te-hamerina amin’ny laoniny ny fifandraisana tapaka teo amin’ny fiainantsika
lasa Izy. Maniry fatratra Izy ny hanova ny fiainantsika sy hanome antsika ho avy feno
fanantenana. Maniry fatratra Izy hanolo ny tebitebintsika momba ny fahadisoana tamin’ny
lasa amin’ny fahatokiana ny fitarihany ankehitriny. Raha nanao fahadisoana isika teo amin’ny
fitaizana ny zanatsika, dia aoka hiaiky izany amin’Andriamanitra ary hangataka Azy mba
hanafy hery antsika hanaovana ny fanaovana ilaina. Raha ilaina dia aoka ho resahina amin’ny
zanatsika ny fahadisoana ary hangataka famelana aminy.
Ny zavatra kendrena amin’ny fandinihan-tena dia ny hahitana ireo lafiny eo amn’ny
fiainantsika izay takona amin’ny masontsika. Isika rehetra dia manana fahalemena jamba
momba ny fanekena ny tsy fetezana eo amin’ny toetrantsika. Matetika ny Fanahy Masina no
mitarika antsika ho amin’ny fanadihadiana ara-panahy mba hamaritana ireo faritra jamba ireo.
NIvavaka toy izao ny mpanao Salamo : « Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko;
Izahao tœtra aho, ary fantaro ny eritreritro; » (Salamo 139:23)
Ny tanjon’Andriamanitra ao amin’io fomba io dia ny hitarika ho akaiky Azy kokoa. Tsy tiany
isika ho kivy ao anatin’ny fahamelohana na ho feno fanenenana momba ny fiainantsika lasa.
Ny zavatra kendreny dia ny hitondra antsika amin’ny « làlana mandrakizay ». Na dia
mahasalama aza ny manana fijery madio momba ny fiainantsika ara-panahy manokana, dia
tsy mahasalama kosa ny mitoetra amin’ny fahadisoana teo amin’ny fiainantsika tamin’ny lasa.
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
63
Ny fitoerana eo amin’ny fahadisoantsika sy ny fifantohana ela loatra amin’izany dia hahakivy
antsika fotsiny.
Lehibe lavitra noho ny fahadisoantsika sy ny tsy fahatanterahantsika ny Tompontsika. Marina
fa ilaintsika ny hahafantatra an-kitsim-po ny toerana misy antsika - kanefa zava-dehibe kokoa
ny mahafantatra ny fahasoavany. Ny fahafantarana ny fahalementsika dia manomana antsika
handray ny heriny. Ny fahafantarana ny maha-mpanota antsika dia manomana antsika
handray ny fahamarinany. Ny fahafantarana ny tsy fahampian’ny fahalalantsika dia
manomana antsika handray ny fahendreny. Mety hitarika antsika hitoloko ny amin’ny
toetrantsika mora lavo ny Fanahy Masina, nefa tsy mamela antsika ho eo fotsiny Izy. Ny
zavatra kendren’ny fandresen-dahatry ny Fanahy Masina dia ny hitarika antsika eo amin’i
Jesosy. Rehefa mahatsapa ny fahotantsika sy tsy fahombiazantsika amin’ny alalan’ny
fandinihan-tena isika, dia afaka misaotra an’Andriamanitra noho ny itarihan’ny Fanahy
Masina antsika akaiky kokoa an’i Jesosy. Ny hery mandresy lahatry ny Fanahy Masina dia
manomana antsika handray ny fahafenoan’ny Fanahy amin’ny herin’ny ranonorana farany.
Mialoha ny hanamboaran’Andriamanitra antsika dia torotoroiny isika. Mialoha ny hamenoany
antsika dia tsy maintsy foanany isika. Mialoha ny hahazoany ny toeram-boninahitra ao
amintsika dia tsy maintsy esorina ny izaho. Mpamonjy mahafinaritra manao ahoana re Ilay
Jesosy Tompontsika e ! Ny faniriana ambony indrindra dia ny hitarafantsika ny toetrany be
fitiavana eo anatrehan’izao tontolo izao izay miandry sy mandinika izany. Te-hanomana
antsika Izy ankehitriny ho amin’ny firotsahan’ny Fanahy Masina lehibe indrindra eo amin’ny
tantara.
Amim-pivavahana dia aoka hisaintsaina ny amin’ireto fanontaniana eto ambany ireto :
1. Moa misy zavatra mitampify lalina ao amin’ny fanahiko ve izay mety hisakana ahy tsy
handray ny fahafenoan’ny Fanahy Masina ?
2. Moa ve aho vonona ny hanome alalana an’Andriamanitra hanaisotra amin’ny fiainako
izay zavatra rehetra tsy mifanaraka amin’ny sitrapony ?
3. Moa misy zavatra eo amin’ny fiainako ve izay tsy foiko hialana ?
Fizarana faharoa
Fisaintsainana ny Toro-hevitr’Andriamanitra
Amim-pivavahana dia vakio ireto teny nalaina tamin’ny Vavolombelona Mahery, p. 45-47
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
64
Tsy nanova ny teny fikasana nataon’i Kristy ny amin’ny handefasany ny Fanahy Masina ho
solontenany tsy akory ny elanelam-potoana. Tsy famerana avy amin’Andriamanitra akory no tsy
mampikoriana ankehitriny ny haren’ny fahasoavany mankety an-tany ho an’ny olona. Raha tsy hita
araka izay tokony ho izy ny fahatanterahan’ny teny fikasana dia satria tsy ankasitrahana araka izay
tokony ho izy. Raha manam-paniriana an’izany ny rehetra, dia mety ho feno ny Fanahy. Na
aiza na aiza andraisana ny Fanahy Masina ho zavatra tsy heverina firy, dia ahitana hain-tany
ara-panahy, haizina ara-panahy, fihemorana sy fahafatesana ara-panahy. Na oviana na oviana
ifantohan’ny saina amin-java-madinika tsy misy antony, dia banga ny
herin’Andriamanitraizay ilaina ho fampitomboana sy ho fampiroboroboana ny fiangonana,
ary hitondra ny fitahiana hafa rehetra hanaraka azy na dia natolotra tamin’ny fahafenoany tsy
voafetra aza izany (Vavolombelona Mahery, p 45).
Koa satria io no fomba izay handraisantsika hery, nahoana no tsy noana sy mangetaheta ny
fanomezana ny Fanahy isika ? Nahoana no tsy ataontsika anton-dresaka, antom-bavaka sy
toriteny izany ? Vonona ny hanome ny Fanahy Masina amin’izay manompo Azy ny Tompo,
mihoatra noho ny fanirian’ny raiamandreny hanome zava-tsoa ho an’ny zanany. Tokony
handefa fangatahana isan’andro amin’Andriamanitra ny mpiasa tsirairaymba handraisany ny
batisan’ny Fanahy isan’andro. Tokony hivory hangataka ny fanampiana manokana, sy ny
fahendrena avy any an-danintra ny fikambanan’ny Kristiana, mba hahafantarany izay drafitra
hatao sy hanatanterahany izany amim-pahendrena. Tokony hivavaka amin’ny fomba
manokana izy hanaovan’Andriamanitra batisa amin’ny fatra betsaka amin’ny Fanahiny ireo
ambasadaoro nofidiny ho any amin’ny sahan’ny misiona. Ny fanatrehan’ny Fanahy eo
amin’ny mpiasan’Andriamanitra dia hanome hery ny fitoriana ny fahamarinana izay tsy
hain’ny voninahitra na ny laza rehetra eo amin’izao tontolo izao omena.
Monina eo amin’ny mpiasan’Andriamanitra manolo-tena ny Fanahy Masina, na aiza na aiza
toerana mety hisy azy. Ho antsika ko ny teny natao tamin’ny mpianatra.Ho antsika koa ny
maha-azy ireo azy ny Mpananatra. Ny Fanahy dia manome ny hery izay manohana ny fanahy
miady sy mitolonaeo amin’ny zava-tsarotra rehetra, eo amin’ny fankahalan’izao tontolo izao,
sy eo amin’ny fahatsapany ny fahalemeny sy ny fahadisoany. Ao amin’ny alahelo sy ny
fahoriana, rehefa maizina ny faravodilanitra ary mampitebiteby ny ho avy, ka mahatsapa ho
tsy manan-kery sy irery isika – dia ireo no fotoana itondran’ny Fanahy Masina fampiononana
ny fo ho valin’ny fivavahan’ny finoana. Tsy porofo marina ny maha-kristiana ny olona ny
fanehoany haravoam-panahy rehefa misy toe-javatra tsy fahita amin’ny andavan’andro. Ny
fahamasinana dia tsy mahatonga ny olona iray ho lasam-borona ka toy ny tsy eto ambonin’ny
tany intsony, fa fileferana kosa eo amin’ny sitrapon’Andriamanitra ; fivelomana araka ny
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
65
sitrapon’ny Raintsika ; fitokisana amin’Andriamanitra eo amin’ny fitsapana, sy eoo amin’ny
haizina toy ny eo amin’ny mazava ihany koa ; fandehanana amin’ny finoana fa tsy amin’ny
fahitana ; fiankinana amin’Andriamanitra amin’ny fatokiana tsy misy adivarotra, sy fitoerana
eo amin’ny fitiavany.
Tsy dia ilaintsika loatra ny afaka hamaritra marina ny amin’ny Fanahy masina. Lazain’i
Kristy antsika fa ny Fanahy no Mpananatra, « dia ny Fanahin’ny fahamarinana, Izay mivoaka
avy amin’ny Ray ». Voalaza mazava mikasika ny Fanahy masina, fa « tsy hiteny ho Azy Izy »
eo amin’ny asa fitarihana ny olona amin’ny marina rehetra.
Zava-miafina ny toetoetran’ny Fanahy Masina. Tsy hain’ny olona hazavaina izany satria tsy
nambaran’ny Tompo taminy. Ny olona izay manana fomba fijery hafahafa dia mety
hampitambatra toko sy andininy ao amin’ny Soratra Masina ka hanorina zavatra araka ny
fahitan’ny olombelona amin’izany. Ny fanekena ireo fomba fijery ireo anefa dia tsy
hampahery ny fiangonana. Mikasika ny zava-miafina toy izany ? izay lalina loatra ka tsy mety
ho tratran’ny sain’ny olombelona, dia ny mangina volamena.
Voafaritra mazava tsara ao amin’ny tenin’i Kristy ny anjara asan’ny Fanahy Masina : « ary
raha tonga Izy dia hampiaiky izao tontolo izao ny fahotana sy ny fahamarinana ary ny
fitsarana ». Ny Fanahy masina no mandresy lahatra ny amin’ny fahotana. Raha mamaly ny
herin’ny Fanahy Masina izay miasa mangina hamelombelona azy ny mpanota, dia ho
voataona ho amin’ny fibebahana izy, ka hifoha ho amin’ny fahatsapana ny maha-zava-dehibe
ny fankatoavana izay takian’Andriamanitra. Ny mpanota mibebaka, noana sy mangetaheta ny
fahamarinana no anehoan’ny Fanahy Masina ny « Zanak’ondrin’Andriamanitra Izay
manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao ». « Izy hankalza Ahy ; fa handray avy amin’ny Ahy
Izy ka hanambara izany aminareo », hoy Kristy. « Izy no hampianatra anareo ny zavatra
rehetra sy hamapahtsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo ».
Nomena ny Fanahy mba hiasa ho famelombelomana sy hahatonga ny famonjena
notanterahin’ny Mpanavotra antsika hisy vokany. Mitady mandrakariva ny hisarika ny
sain’ny olona ho amin’ilay fanatitra lehibe izay natao teo amin’ny hazo fijalian’i Kalvary ny
Fanahy. Miezaka Izy hamelatra ny fitiavan’Andriamanitra amin’izao tontolo izao, sy
hanokatra ireo haren-tsarobidin’ny Soratra Masina eo imason’ny fanahy resy lahatra.
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
66
Fizarana fahatelo
Fampiharana ny Toro-hevitr’Andriamanitra
Mandray ny Fanahy Masina
Efa mba nanontany tena ve hianao nahoana ny fiangonan’ny Testamenta Vaovao no nanana
fiainana ara-panahy toy izany ary amin’izao kosa ny fiangonantsika kely dia kely ? Nahoana
ny Fanahy Masina no narotsaka be dia be tamin’izany, ary toa kely ny heriny ankehitriny ?
Nahoana ireo mpianatra voalohany ireo no feno ny Fanahy Masina toy izany, ary nahoana
isika no toa tsy manana ny fanatrehany ? Inona ny fahasamihafana ? Azo antoka fa fotoana
izao ho antsika hanaovana fisaintsainana bebe kokoa. Angamba hitarika antsika hijery ny ao
anatin’ny fontsika manokana amin’ny fandinihan-tena ny Fanahy Masina.
1. Moa ve ny fahelan’ny fotoana nampisy fiovana teo amin’ny fampanantenana nataon’i
Kristy talohan’ny handehanany ny amin’ny handefasany ny Fanahy Masina ho an’ny
fiangonany ? (jereo Asa 2 : 37-39 sy Vavolombelona Mahery, p. 45)
_____________________________________________________________________
_____________________________________________________________________
2. Inona ireo antony telo omen’ny Vavolombelona Mahery, p. 45, mahatonga ny tsy
fahampian’ny herin’ny Fanahy Masina eo anivontsika ? Fenoy ny fehezan-teny eto
ambany ary anontanio ny tenanao raha misy amin’ireo toetoetra ireo eo amin’ny
fiainanao manokana .
« Raha tsy hita _________________________________________________________
_____________________________________________________________________
« Na aiza na aiza _______________________________________________________
_____________________________________________________________________
« Na oviana na oviana ___________________________________________________
_____________________________________________________________________
Ho saintsainina
Moa ve izaho manokana mba mankasitraka amin’ny fahafenoany ny fanomezan’ny
Fanahy Masina izay natolotr’i Kristy ?
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
67
Laharam-pahamehana eo amin’ny fiainako ve ny fandraisana ny Fanahy Masina ?
Moa ve ny « zava-madinika » no mandany fotoana ka maka ny toerana voalohany
noho ny zavatra ho an’ny mandrakizay ?
3. Inona ireo dingana ho an’ny fiainana andavan’andronosoritan’ny Tompntsika mba
hanomana antsika handray ny firotsahan’ny Fanahy masina ? (jereo Vavolombelona
Mahery, p. 51)
A. Asio faribolana ireo matoan-teny dimy ao anatin’ny fehezan-teny manaraka etoana :
« Nahoana no tsy noana sy mangetaheta ny fanomezana ny Fanahy isika ? Nahoana no
tsy ataontsika anton-dresaka, antom-bavaka sy toriteny izany ? »
Fintino izay ambaran’ireo matoan-teny ireo eo amin’ny fiainanao ara-panahy
manokana.
_____________________________________________________________________
_____________________________________________________________________
B. Fenoy ny fehezan-teny roa eto ambany :
_____________________________________________________________________
__________________________________________ ny batisan’ny Fanahy isan’andro.
_____________________________________________________________________
______________________________________________ ny fikambanan’ny kristiana.
Manasa antsika manokana ny Tompontsika mba hanokatra ny fontsika ary hangataka amin’ny
lanitra ny fanomezan’ny Fanahy Masina ary koa hiaraka amin’ny vondrona madiniky ny
mpino mba hikatsaka ny fandraisana ny Fanahy Masina.
4. Inona no hataon’ny Fanahy Masinaamin’ny fiainan’ireo izay miatrika fitsapana,
fihaikana ary zava-tsarotra ? (jereo Romana8 : 14-17 ; Efesiana 3 :14-21 ;
Vavolombelona Mahery, p. 46
_____________________________________________________________________
_____________________________________________________________________
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
68
5. Inona no porofo lehibe indrindra fa nameno ny fiainantsika ny Fanahy Masina ? (jereo
Vavolombelona Mahery, p. 46
_____________________________________________________________________
_____________________________________________________________________
Ny porofo lehibe indrindra ny amin’ny fiainana feno ny Fanahy dia ny fiainana
voaova. Izany dia toe-tsaina feno fanoloran-tena hanao ny sitrapon’Andriamanitra.
Izany dia faniriana ny hanao izay mahafaly an’Andriamanitra amin’ny lafiny rehetra
eo amion’ny fiainantsika (Jaona 8 :29 ; Hebreo 8 : 10 ; 10 :7). Ny porofo lehibe
indrindra ny amin’ny fiainana feno ny Fanahy Masina dia tsy fanehoana famantarana
mahagaga tsy fahita andavan’andro. Ny devoly dia afaka misandoka famantarana sy
fahagagana (Apokalypsy 14 ; 18 :20 ; Matio 24 :24). Hanokatra ny fonao ho amin’ny
asan’ny Fanahy Masina ve hianao ary hangataka Azy haneho izay zavatra rehetra
mitoetra lalina ao am-ponao izay misakana anao tsy handray ny fahafenoan’ny
herin’ny Fanahy Masina ankehitriny ?
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
69
ANDRO FAHAFITO
SORONA FENO FAHAFOIZAN-TENA
Ny fihetsik’ireo mpianatra mialoha ny Pentekosta dia tena samihafa tanteraka
tamin’ny fihetsik’izy ireo tao aorian’ny Pentekosta. Nitondra fiovana misongadina ny folo
andro tao amin’ny Efitrano Ambony. Ny filazantsaran’i Lioka dia manamarika, fa mialoha ny
fahafatesan’i Jesosy dia, « nisy koa fifandirana tao aminy ny amin'izay anankiray aminy hatao
lehibe. » (Lioka 22:24). Tena tsy mitovy ami n’ny famaritana ny antokon’olona nosorana
haneho ny fitiavan’i Kristy eny amin’ny tanàna sy vohitra izay niantsoina azy ireo hiasa araka
ny hafatry ny Hazo Fijaliana. Toy ny tsy fiaraha-monin’ny mpino izay azo omena ny herin’ny
Fanahy Masina mba hanozongozona izao tontolo izao amin’ny toriten’izy ireo izany.
Fanirian-daza ho an’ny tenan’izy ireo manokana no tao an-tsainy. Natosiky ny tombotsoa ho
an’ny tena manokana, dia liana kokoa amin’izay azon’izy ireo raisina avy amin’ny
fanarahan’izy ireo an’i Kristy noho ny fanolorana ny tenan’izy ireo amin’ny asa tsy mitady
tambiny. Resy lahatra izy ireo fa vonona ny hanjaka miaraka amin’i Kristy ao amin’ny
Fanjakana ho avy, ary ny tsirairay dia maniry izany tsy ho ela.
Tafahaotra loatra ny fahatokian’i Petera rehefa nilaza izy fa vonona “ny ho ao an-
tranomaizina, na ho amin’ny fahafatesana” ho an’i Kristy izy (Lioka 22:33). Raha ny marina,
araka ny filazantsaran’i Matio, ny mpianatra rehetra dia samy naneho izany fireharehana,
fahatokian-tena izany. Nanome toky an’i Jesosy Petera hoe: “Na dia hiara-maty aminao aza
aho, tsy mba handà Anao tokoa aho. Ary toy izany koa no nolazain'ny mpianatra rehetra.”
(Matio 26:35). Tamin’ny fiadiana ny toerana voalohany, dia tsy azon’ireto mpianatra ireto ny
hevitra fototry ny filazantsara. Toa marenina tamin’ny tenin’i Jesosy izy ireo: “ary izay te-ho
ambony indrindra aminareo dia ho mpanomponareo. Fa tahaka izany, ny Zanak'olona tsy
tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.”
(Matio 20:27, 28).
Nanova zavatra ny Pentekosta
Nanova ny zavatra rehetra ny Pentekosta. Nandritra ny folo andro tao amin’ny
Efitrano Ambony, dia nandinika lalina ny fony ireo mpianatra. Azon’izy ireo ny fahalemeny,
ka nangataka ny Heriny izy ireo. Tsapan’izy ireo ny fahalemeny ary naniry ny Heriny
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
70
mandrakizay. Tsapan’izy ireo ny fitiavan-tenany, ka naniry ny toetra tsotra, mandà tena an’i
Jesosy izy ireo. Izao no nambarin’i Ellen White rehefa nanazava ny fanandraman’izy ireo izy:
Raha niandry ny fahatanterahan’ny teny fikasana ireo mpianatra, dia nanetry ny tenany
tamin’ny fibebahana marina sy niaiky ny tsy finoany. Raha nahatsiaro ny teny nataon’i Kristy
mialoha ny fahafatesany izy dia azony mazava kokoa ny tena tombam-bidiny. Ireo
fahamarinana izay adinon’izy ireo dia nitamberina indray tao an-tsainy, ary izany no
nifampiresahan’izy ireo tsirairay avy. Nanameloka ny tenany tamin’ny fahadisoan-kevitra
nanany momba ny Mpamonjy izy ireo. Tahaka ny miaramila mitandahatra, ireo toe-javatra
samihafa mahagaga nifadimby tamin’ny Fiainany lasa dia nandalo teo anatrehan’izy ireo.
Raha nandinika ny fiainany madio sy masina izy ireo dia nahatsapa fa tsy misy asa mafy
loatra, na fanoloran-tena lehibe loatra, raha azon’izy ireo atao fotsiny ny mijoro
vavolombelona araka ny toetran’i Kristy feno fitiavana. Oh, raha azon’izy ireo atao ny hiaina
indray ireo telo taona lasa hoy izy ireo, dia ho fahasamihafana manao ahoana re ny fihetsiny!
(Acts of the Apostles, p. 36).
Raha niara-nivavaka ireo mpianatra, nanetry ny fony teo anatrehan’Andriamanitra, dia
napetraky ny Fanahy Masina tao an-tsain’izy ireo ny leson’ny fahatokiana, ny fanoloaran-tena
izay nirian’i Kristy fatratra ho azoan’izy ireo. Nahatsiaro diso noho ny fandresen-dahatry ny
Fanahy Masina ireo mpianatra. Naniry hiaina indray ireo telo taona sy tapany lasa izy ireo.
Efa nahatsapa tahaka izany ve ianao? Efa naniry ny hiverina sy hanova ireo fahadisoanao lasa
ve ianao? Tsy mandresy lahatra antsika amin’ny fahotana fotsiny ny Fanahy Masina, fa
manasitrana ny fontsika maratra koa. Mitondra fanantenana ho antsika Izy. Manome antoka
antsika Izy fa manana drafitra tsara kokoa ho antsika Andriamanitra. Mamelombelona antsika
amin’ireo teny fikasana ny amin’ny ho avy tsara kokoa Izy.
Raiso ohatra Petera. Tao aorian’ny Pentekosta, dia olona niova tanteraka izy. Feno ny
Fanahy Masina, nitory teny feno hery nandritra ny indray andro izy, dia olona telo arivo no
resy lahatra sy natao batisa tamin’io andro io. Rehefa niezaka hampangina ny fijoroana
vavolombelona nataony ireo mpitondra Jiosy, dia nilaza tsy misy tahotra izy hoe: “Fa izahay
tsy maintsy milaza izay zavatra efa hitanay sy renay.” (Asa 4:20). Ilay Petera be rehareha dia
lasa feno fahatokiana, tsy tamin’ny tenany fa tamin’ny herin’ny Tompo. Ilay Petera
misehoseho dia nianatra ny leson’ny , ny asa tsy mitady tambiny. Henoy ny fijoroana
vavolombelona nataony: “Ary ianareo izay mbola tanora fanahy kosa, dia maneke ny
loholona. Eny, samia misikina ianareo ka mifanompoa; fa "Andriamanitra manohitra ny
miavonavona, fa manome fahasoavana ho an'ny manetry tena." Koa amin'izany manetre tena
ambanin'ny tàna-maherin'Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin'ny fotoan'andro; » (1
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
71
Petera 5:5, 6). Ireo fo feno fanetren-tena dia fo izay azon’Andriamanitra fenoina ny
Fanahiny. Ireo dia fo misokatra handray ny fitahiana feno avy amin’Andriamanitra.
Jesosy: Ohatra ho Antsika
Hevero Jesosy. Nandao ireo voninahitry ny lanitra ho enty amin’ity izao tontolo izao
feno fahotana ny Mpamonjy. Nandao ny firaisam-po tamin’ny Ray Izy, ny fanajan’ireo
anjely, ary ny fanompoan’ireo zava-manan’aina any an-danitra. Ny apostoly Paoly dia
manazava ny fanandraman’i Jesosy araka ireto teny ireto: “ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho
olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana
tamin'ny hazo fijaliana. Koa izany no nanandratan'Andriamanitra Azy indrindra sy
nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra, » (Filipiana 2:8, 9). Tsy
tonga olombelona fotsiny Jesosy fa lasa mpanompo mihitsy. Tsy lasa mpanompo fotsiny Izy
fa tonga mpanompo mpankàto. Tsy lasa mpanompo mpankàto fotsiny Izy fa nanaiky
hatramin’ny fahafatesana. Tsy maty fotsiny Izy fa maty tamin’ny fomba mahatsiravina
indrindra, ny fahafatesana tamin’ny hazo fijaliana. Ny fahafatesan’i Kristy teo amin’ny hazo
fijaliana dia nanome fahefana Azy ho Mpisoronabe any an-danitra, mipetraka eo amin’ny
tànana ankavanan’Andriamanitra. Ny fankatoavana feno fanetren-tena dia mialoha
mandrakariva ny fahalebiazana. Andriamanitra dia manandratra ireo izay miondrika am-
panetren-tena.
Famaritana ny Fanetren-tena
Ny fanetren-tena dia fanompoana am-pitiavana izay tsy mampitombo ny maha-zava-
dehibe ny olona iray. Mahakasika mandrakariva ny momba ireo filan’ny hafa izany. Amin’ny
fo manetry tena, ny izaho dia tsy ivon’izao tontolo izao. Ny fanetren-tena dia mitarika antsika
hametraka ny hafa ho ivo. Mifantoka amin’ny fanomezana izany fa tsy ny fandraisana.
Maniny ny tsara ho an’ny hafa izany ary tsy mampiasa azy ireo hanatanterahana ny tanjon’ny
tena manokana. Iray amin’ireo toetra omen’Andriamanitra tombam-bidy ny fanetren-tena.
Vakio am-bavaka ireto andalana telo eto ambany ireto, ary valio ireo fanontaniana manaraka.
“Tsy manao na inona na inona amin'ny fifampiandaniana, na mandrani-tena foana fa
amin'ny fanetren-tena dia aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny
tenany. Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an'ny namany koa.” (Filipiana
2:3, 4).
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
72
“Koa mitafia famindram-po sy fiantrana,, fahamoram-panahy, fanetren-tena,
fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin'Andriamanitra sady masina
no malala.” (Kolosiana 3:12).
“Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona, fa manome fahasoavana ho an'ny
manetry tena” (Jakoba 4:6).
1. Inona ho an’ny olona iray no hevitry ny hoe “manao ny namany ho mihoatra noho ny
tenany”?
2. Inona no hoe “amin’ny fanetren-tena”? Ahoana no ahafahantsika “mandray” “ny
fanetren-tena ara-tsaina”?
3. Hazavao, nahoana Andriamanitra no “manohitra ny mpiavonavona, fa manome
fahasoavana ho an’ny manetry tena”?
4. Nahoana no zava-dehibe amin’ny fandraisana ny ranonorana farany ny fanetren-tena?
Amin’ny andro ho avy, angataho Andriamanitra hanome anao ny fanahin’ny fanetren-tena.
Mitalaho Aminy hanala ny avonavona rehetra ao am-ponao. Mikatsaha saina feno faniriana
hanompo ny hafa. Omeo alalàna Andriamanitra hanala ao am-ponao ny fitiavan-tena sy ny
fanirian’ny tena samirery. Azon’ny Fanahy Masina atao ny mampahafantatra ny avonavona,
ny faniriam-boninahitra, ny fanahin’ny fifaninanana, na ny faniriana ho lohany. Raha manao
izany Izy, vohay amin’ny herin’i Jesosy manadio ny fonao ary tsarovy fa matetika
Andriamanitra dia mampietry antsika mialoha ny hamenoany antsika—matetika dia
mampidina antsika ho ambany Izy mialoha ny hanandratrany antsika.
Fizarana 2: Mandinika ny Toro-marika araka an’Andriamanitra
Am-pisaintsainana lalina, vakio ity andalana manaraka ao amin’ny The Acts of the
Apostles, p. 53-56 ity.
Hatramin’ny voalohany Andriamanitra dia miasa amin’ny alalan’ny Fanahy Masina
amin’ny olombelona, ho fitaovana hamitana ny tanjony ho an’ny taranak’olombelona lavo.
Niseho tamin’ny fiainan’ny Patriarika izany. Tamin’ny fiangonana tany an’efitra ihany koa,
tamin’ny andron’i Mosesy dia nomen’Andriamanitra ny “Fanahiny tsara mba hampianatra
azy ireo.” Nehemia 9:20. Ary tamin’ny andron’ireo apostoly dia namolavola tamin-kery ny
fiangonany tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina Izy. Ilay hery izay nanohina ireo Patriarika,
nanome finoana sy herim-po an’i Kaleba sy Josoa, ary nahatanteraka am-pahombiazana ny
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
73
asan’ny fiangonana apostolika dia nanandratra ireo zanak’Andriamanitra mahatoky tamin’ny
taona rehetra nifandimby. Tamin’ny herin’ny Fanahy Masina nandritra ny Taonjanton’ny
Fahamaizinana, ireo Kristianina Waldensian dia nanampy tamin’ny fiomanana ny làlana ho
amin’ny Fanavaozana. Ary izany hery izany koa no nampahomby ny ezak’ireo lehilahy sy
vehivavy namaky lay ny fomba fanorenana ireo iraka moderina, sy ny fandikana ny Baiboly
amin’ny tenim-pirenena sy fitenim-paritra ary ny olona rehetra.
Ary ankehitriny dia mbola mampiasa ny fiangonany Andriamanitra hampahafantatra
ny tanjony ho an’ity tany ity. Anio ireo mpitondra tenin’ny hazo fijaliana dia mandeha mitety
tanàna, mitety tany, manomana ny làlana amin’ny fiavian’i Kristy fanindroany. Ny toetra
ambonin’ny didin’Andriamanitra dia hasandratra. Ny Fanahin’ny Tsitoha dia miditra ao am-
pon’ny olona, ary ireo izay manaiky ny sitrapony dia lasa vavolombelona ho
an’Andriamanitra sy ny Fahamarinany.
Etsy ankilany, misy ireo izay tsy manararaotra amim-pahendrena ny fotoana mety
ankehitriny, fa mitomoe-poana miandry fotoana manokana hisian’ny famelombelomana ara-
panahy izay hampitombo be dia be ny fahazoany manazava ny hafa. Manao antsirambina ny
andraikiny sy ny tombotsoany ankehitriny izy, ka mamela ny fahazavany hihamatroka;
manantena izy fa hisy fotoana izay tsy hanaovany fiezahana, nefa hahatonga azy ho fitaovana
handray fitahiana manokana izay hanova azy sy hahavonona azy ho amin’ny fanompoana.
Tena marina fa amin’ny andro farany, rehefa mifarana ny asan’Andriamanitra eto an-
tany, dia hisy fanehoana manokana ny fankasitrahan’Andriamanitra hanaraka ny ezaka
mafana ataon’ireo mpino nanolo-tena eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina. Ny endriky ny
ranonorana aloha sy aoriana, izay milatsaka any antsinanana amin’ny fotoana famafazana sy
fijinjana, no nentin’ireo mpaminany Hebreo nanambara mialoha ny firotsahan’ny fahasoavana
ara-panahy amin’ny fatra mahagaga ho an’ny fiangonan’Andriamanitra. Ny firotsahan’ny
Fanahy Masina tamin’ny andron’ny apostoly no fiantombohan’ny ranonorana aloha, na
voalohany, ary be voninahitra ny vokatr’izany. Hatramin’ny andro farany dia hitoetra eo
amin’ny fiangonana marina ny fanatrehan’ny Fanahy Masina.
Nefa rehefa akaiky ny fiafaran’ny fijinjana ny tany, dia hisy fanomezana manokana ny
fahasoavana ara-panahy nampanantenaina, izay hanomana ny fiangonana ho amin’ny
fiavian’ny Zanak’olona. Ampitoviana amin’ny filatsaky ny ranonorana aoriana io
firotsahan’ny Fanahy Masina io; ary io fanampin-kery io no tokony handefasan’ny Kristianina
fangatahana amin’ny Tompon’ny vokatra “amin’ny andro fara-orana.” Ho valin’izany dia
“handatsaka ranonorana mivatravatra ho anareo aloha (Jehovah), eny, ny loha-orana sy ny
fara-orana aloha.” Zakaria 10:1; Joela 2:23.
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
74
Nefa raha tsy manana fifandraisana velona amin’ny loharanon’ny fitomboana ara-
panahy rehetra ny mambra ao amin’ny fiangonan’Andriamanitra ankehitriny, dia tsy ho
vonona izy amin’ny andro fijinjana. Raha tsy tazoniny hadio sy mirehitra ny jirony, dia tsy ho
afaka handray fahasoavana fanampiny izy amin’ny fotoana ilàny fanampiana manokana.
Ireo izay mandray fanampim-pahasoavana vaovao hatrany ihany, no hanan-kery
mifamatra amin’izay ilainy isan’andro sy ny fahaizana hampiasa io hery io. Tsy hiandrandra
fotoana ho avy izay ahazoany fanahy amin’ny fomba mahagaga, amin’ny alalan’ny
fanosoran’ny hery ara-panahy izy, fa milefitra amin’Andriamanitra isan’andro kosa, mba
hanaovany azy ho fitaovana azony ampiasaina. Isan’andro dia manararaotra ny fotoana mety
hanaovany ny fanompoana izay mety ho tratrany izy. Isan’andro dia mijoro ho
vavolombelon’ny Tompo izy na aiza na aiza misy azy, na eo amin’ny faritra tsotsotra eo
amin’ny asa ao an-tokantrano, na eo amin’ny saha hanaovana soa ho an’ny besinimaro. Ho
an’ireo mpiasa manolo-tena dia hisy fampiononana mahagaga amin’ny fahafantarana fa na dia
Kristy tamin’ny fiainany teto an-tany aza, dia nikatsaka ny Rainy isan’andro ho fanomezana
vaovao ny fahasoavana ilaina; ary avy amin’izany fifandraisana miaraka amin’Andriamanitra
izany dia nandroso tamin-kery sy nitahy ny hafa Izy. Indro ny Zanak’Andriamanitra
miondrika am-bavaka amin’ny Rainy! Na dia Zanak’Andriamanitra aza Izy, dia
nampahereziny tamim-bavaka ny finoany, ary tamin’ny fifandraisany tamin’ny lanitra no
nahazoany hery ho an’ny Tenany hanohitra ny ratsy sy hiasa ho an’izay ilan’ny olona. Tahaka
ny Zokilahy ho an’ny taranakintsika, fantany izay ilain’ireo izay mijaly sy miaina amin’izao
tontolon’ny fahotana sy fakam-panahy izao, ka maniry ny mbola hanompo Azy. Fantany fa
ireo mpitondra hafatra izay hitany dia malemy, olona miovaova; kanefa izay manolotra
tanteraka ny tenany feno ho amin’ny fanompoana dia nampanantenainy fanampiana avy any
an-danitra. Ny ohatry ny tenany no antoka fa ny fangatahana amin-kafanam-po, mitohy
amin’Andriamanitra amim-pinoana—finoana izay mitarika ho amin’ny fianteherana
amin’Andriamanitra, ary ny fanoloran-tena tsy misy fepetra ho amin’ny asany—dia hitondra
ho an’ny olona ny fanampian’ny Fanahy Masina hanohitra ny fahotana.
Ny mpiasa tsirairay manaraka ny ohatry Kristy, dia ho voaomana handray sy hampiasa
ny hery izay nampanantenain’Andriamanitra ho an’ny Fiangonany amin’ny fijinjana eto an-
tany. Isa-maraina, ireo mpialoha làlana ny filazantsara dia nandohalika teo anatrehan’ny
Tompo sy nanavao ny voadi-panoloran-tena Taminy, homeny azy ireo ny fanatrehan’ny
Fanahy Masina miaraka amin’ny heriny manavao sy manamasina. Raha eo am-pirosoana
amin’ireo asa isan’andro izy ireo, dia azony antoka fa ilay hery tsy hita mason’ny Fanahy
Masina dia mampahery azy ireo ho “mpiasa miaraka amin’Andriamanitra.”
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
75
Fizarana 3: Mampiatra ny Toro-marika araka an’Andriamanitra
Manandrana ny Ranonorana farany
Nandritra ny tantara dia nampiasa ireo olona izay nampietry ny fony teo anatrehany
Andriamanitra. Rehefa mahita olona liana kokoa amin’ny Voninahiny noho ny an’ny tenany
Andriamanitra, dia ampiasainy amin-kery izy ireo ho fampandrosoana ny fanjakany. Raha
nampietry ny fony teo anatrehan’ny seza fiandrianany ireo mpianatra, niaiky ny fahotany, ary
nanolotra ny tenany hanao ny sitrapony dia nanandrana ny firotsahan’ny Fanahy Masina
tamin’ny fatra lehibe izy ireo.
1. Moa voafetra amin’ny vanim-potoana manokana ve ny fandraisana ny Fanahy
Masina? (Jereo Efesiana 5:18; Jaona 16:7; ary The Acts of the Apostles, pejy 53, 54.)
A. “Hatramin’ny _____________________________________, Andriamanitra dia niasa
tamin’ny __________________ _________________ tamin’ny alalan’ny
olombelona, ho fitaovana ho fanatanterahana ny Tanjony ho an’ny
taranak’olombelona lavo.”
B. “Izany dia niseho tamin’ny fianinan’ny_____________________________________
____________________________________________________________________.”
C. “Tamin’ny andron’ny ________________________ dia namboatra tamin-kery ho
an’ny Fiangonany Izy tamin’ny asan’ny Fanahy Masina.”
D. Ny Fanahin’ny Tsitoha no nambomba ny fon’ny olona, ary izay namaly ny fitarihany
dia tonga _____________________________________________________________.
2. Inona no teny fikasana omen’ny Tompo ireo izay “manohy mamela ny fahazavany
hirehitra, toy ny nataon’ireo izay natao batisa tamin’ny Fanahy Masina tamin’ny
Andro Pentekosta”? (Jereo The Acts of the Apostles, pejy 54.)
_____________________________________________________________________
_____________________________________________________________________
3. Nahoana ny sasany amin’ny mambry ny fiangonana no tsy mahomby amin’ny
fandraisana ny firotsahan’ny Fanahy Masina mivatravatra amin’ny herin’ny
ranonorana farany? (Jereo Matio 25:1-10 sy ny The Acts of the Apostles, pejy 54.)
_____________________________________________________________________
_____________________________________________________________________
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
76
4. Ahoana no hanehoan’Andriamanitra ny fandrotsahina miavaka ny Fanahy Masina
mialoha ny fiavian’ny Jesosy fanindroany? (Jereo Zakaria 10:1; Joela 2:23; ary ny The
Acts of the Apostles, pejy 55, paragrafy 1.)
_____________________________________________________________________
_____________________________________________________________________
Tamin’ny fomba famboleny Israely, ny loha-orana dia nirotsaka tamin’ny fararano
mba hampitombo ny voa rehefa vao nafafy izany. Ny fara-orana dia mirotsaka amin’ny
lohataona amin’ny fiafaran’ny fotoam-pambolena mba hanamasaka ny voa sy hitondra izany
ho amin’ny fijinjana (Deoteronomia 11:14). Ny fahabetsahan’ny orana dia hitan’ny Israelita
tsirairay ho famantarana ny fitahiana sy fanomezan’Andriamanitra. Ireo
mpaminanin’Andriamanitra dia mampiasa ny sarin’ny fara-orana hanehoana ny firotsahana
mivatravatran’ny Fanahy Masina mialoha ny fiavian’i Jesosy fanindroany, izay hampahery ny
fiangonany hitory ny hafatry ny fahamarinana amin’ny andro farany ho an’izao tontolo izao.
5. Iza no handray ny ranonorana farany? Inona no fepetra mialoha ilaina handraisana ny
firotsahana mivatravatran’ny Fanahy Masina? (Jereo The Acts of the Apostles, pejy 55,
56.)
A. “Ireo izay ______________________________________________________ ihany.”
B. “Izy ireo dia nampietry ny tenany ________________________________________
____________________________________________________________________.”
C. “Rehefa mirotsaka ny fara-orana, “isan’andro izy ireo dia _____________________
____________________________________________________________________.”
D. “Isa-maraina, toy ireo mpialoha làlana ny filazantsara ________________________
____________________________________________________________________.”
Zo manao ahoana re izany e! Tombotsoa lehibe! Fahazoa-manao manokana!
Andriamanitra dia maniry handrotsaka ny Fanahy Masina amin’ny fiangonany ankehitriny,
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
77
amin’ny herin’ny fara-orana. Hanokatra ny fonao ve ianao ankehitriny ary angataka
amin’Andriamanitra raha misy zavatra eo amin’ny fiainanao mety miazona anao tsy handray
ny fahafenoan’ny Fanahy Masina ankehitriny?
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
78
ANDRO FAHAVALO
FANOLORAN-TENA FENO FANKATOAVANA
Niatrika ny fihaikana goavana indrindra tamin’ny fiainany, Jesosy dia nandeha am-
pahanginana tao Getsemane. Efa im-betsaka Izy nitsidika ity alan’oliva misitaka ity izay
ahatazanana an’ny Jerosalema. Tamin’ity fotoana ity dia irery Izy. Natosany tamin’ny Rainy
tany an-danitra ny Fanahiny. Lavitry ny fifanosehana sy ny fangejan’ny vahoaka, azony natao
ny niditra tamin’ny fifandraisana lalina tamin’Andriamanitra. Tamin’io alina iankinan’ny ho
avy mandrakizay io, nitondra an’i Petera, Jakoba ary Jaona niaraka taminy Izy. Naniry ny
fiaraha-miory sy ny firalahin’izy ireo am-bavaka Izy tamin’io fotoana fototry ny tantaran’ny
tany io. Elanelana tsy lavitra azy ireo no nisy an’i Jesosy rehefa nanondrika ny tavany Izy ka
nitaraina hoe: “Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy
ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.” (Matio 26:39). Nahafantatra ireo faharatsiana
manoloana Azy, nitaraina tamin’ny Rainy Jesosy hanaisotra ny kapoakan’ny fahoriana izay
ho sotroiny. Raha azo atao dia nesorina ny famadihan’i Jodasy, ny fitsaran’i Pilato, ny
fikapoan’ny Romana, ny satro-tsilo, ary ny hazo fijaliana. Tsy noraisin’i Jesosy moramora
mihitsy ny fahoriana hiatra Aminy. Tao Getsemane, tsapany tanteraka fa ny fahotana dia
hamongotra ny fiainany ao Kalvary. Teo anatrehan’ny fijaliana ara-batana, fangirifiriana ara-
tsaina, fikorotanam-pihetseham-po, nandray fanapahan-kevitra hanao ny sitrapon’ny Rainy
Jesosy.
Mamintina ny fahamarinana nitarika ny fiainany ny vavaka nataon’i Jesosy tao
Kalvary. “Tsy ny sitrapoko, fa ny Anao” no didim-piainan’i Jesosy. Amin’ny fanapahan-
kevitry ny fiainana tsirairay, nanolo-tena hanao ny sitrapon’ny Ray Izy. Izany dia lesona izay
nilain’ireo mpianany nianarana taty aoriana, nandritra ny folo andro tao amin’ny Efitrano
Ambony. Tao anatin’ny faharendreman’izy ireo dia nilainy ny nahazo ny hevitr’izany fotoana
izany.
Ireo andalana telo ao amin’ny Soratra Masina eto ambany dia manoritsoritra ny fifantohana
feno fiheveran’i Jesosy.
Niteny tamim-paminaniana, ny mpanao salamo dia nametraka ireto teny ireto teo am-
bavan’ny Mpamony: “Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako; ary ny
lalanao no ato anatiko.” (Salamo 40:8).
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
79
“Ary izay naniraka Ahy dia eto amiko; tsy nandao Ahy ho irery Izy, satria Izaho
manao izay sitrany mandrakariva.” (Jaona 8:29).
“Dia hoy Izaho: Inty Aho tonga - Ao amin'ny horonam-boky no nanoratana Ahy -
Hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô".” (Hebreo 10:7)
Ny tanjona tokana noheverin’i Jesosy
Ny tanjona tokana nanan’i Jesosy dia ny hanao ny sitrapon’ny Rainy. Nanome
voninahitra an’Andriamanitra ny fiainany manontolo. Ny fankatoavana feno fanoloran-tenan’i
Jesosy tamin’ny Rainy no rojo izay nikorianan’ireo fitahiana avy any an-danitra ho ety an-
tany. Ankehitriny ihany koa, ny herin’ny Fanahy Masina dia mitosaka amin’ireo fo manolo-
tena.
Heverinao ve fa nandre ny vavaka nataon’i Jesosy Petera, Jakoba ary Jaona?
Heverinao ve fa ny fiangaviana lalina nataony dia nanohina ny fon’izy ireo? Tsy maintsy gaga
izy ireo tamin’ny fanoloran-tena feno nanany hanao ny sitrapon’ny Rainy. Izany fanoloran-
tena tanteraka izany dia tsy maintsy nisy fiatraikany tamin’ny fiainan’izy ireo. Na dia tsy
azon’izy ireo tanteraka aza ny fahatokiana tsy azo ozongonzonona nananany mialoha ny
Pentekosta, ny ohatry ny fiainany dia nilatsaka tanteraka tao am-pon’izy ireo. Tamin’ny
Pentekosta, tao amin’ny Efitrano Ambony no nanombohan’izy ireo nahazo izay nohezahiny
nampianariana azy ireo. “Tahaka ny miaramila mitandahatra, ireo toe-javatra samihafa
mahagaga nifadimby tamin’ny Fiainany lasa dia nandalo teo anatrehan’izy ireo. Raha
nandinika ny fiainany madio sy masina izy ireo dia nahatsapa fa tsy misy asa mafy loatra, na
fanoloran-tena lehibe loatra, raha azon’izy ireo atao fotsiny ny mijoro vavolombelona araka
ny toetran’i Kristy feno fitiavana.” (The Acts of the Apostles, p. 36). Tao amin’ny Efitrano
Ambony, raha nikatsaka an’Andriamanitra miaraka ireo mpianatra, no nahatonga azy ireo
feno fanoloran-tena tamin’ny sitrapon’ny Ray. “Nameno ny sain’izy ireo Kristy; ny
fandrosoan’ny fanjakany no nokendren’izy ireo. Tao an-tsaina sy tamin’ny toetra dia tonga
tahaka ny Mpampianatra izy ireo, ary ny olona ‘nandray fahalalana tamin’izy ireo, fa niara-
nandeha tamin’i Jesosy izy.’ Asa 4:13” (Acts of the Apostles, p. 45).
Manova ny Fanoloran-tena
Lasa olom-baovao Petera tao aorian’ny Pentekosta. Tsy natahotra ny
fampitahoran’ireo mpitondra ny tempoly intsony izy. Rehefa nifanatrika tamin’ireo mpitondra
fivavahana sy nangatahin'izy ireo hitsahatra tsy hitory amin’ny anaran’i Jesosy, dia namaly
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
80
ilay apostoly hoe: “Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.” (Asa 5:29).
Teo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina, ny ohatra nasehon’i Jesosy dia nanova zavatra.
Tahaka ny Tompony, ny faniriana tokana tao amin’i Petera dia ny hanao ny sitrapon’ny
Rainy any an-danitra. Izany dia tena marina ho an’ny tsirairay amin’ireo mpianatra feno ny
Fanahy. Vonona ny hiatrika fanenjehana, fanagadrana, ary fahafatesana noho ny amin’i Kristy
izy ireo. Nahoana?
Naharitra tamin’ny fanaovana ny sitrapon’i Jesosy ireo mpianatra. Napetrak’izy ireo
ny programan’ny tenany manokana. Ny fahafantarana sy fankatoavana an’i Kristy no lasa
zavatra manan-danja indrindra tamin’ny fiainan’izy ireo. Tahaka izany, ny finoana izay
mitarika ny fileferana amin’ny sitrapon’i Kristy no zavatra manan-danja indrindra tamin’ny
fiainan’ny Kristianina tsirairay. Tahaka izao no famaritan’i Ellen White ny fileferana:
Ny fileferana angatahin’i Kristy, ny fanetrena ny sitrapo izay manaiky ny
fahamarinana araka ny heriny manamasina, izay mangovitra amin’ny tenin’ny Tompo dia avy
amin’ny asan’ny Fanahy Masina. Tsy maintsy misy fiovan’ny tena manontolo, ny fo, ny
fanahy, ary ny toetra… Eo amin’ny alitara fanaovana sorona irery ihany, ary avy eo an-
tànan’Andriamanitra no ahazoan’ny olona mahazo ny fahazavana avy any an-danitra izay
manambara ny tsy fahaizany sy mitarika azy hilefitra eo amin’ny ziogan’i Kristy ka hianatra
ny fahalemem-panahiny sy ny famoram-pony.
Amin’ny maha-mpianatra antsika dia ilaintsika ny mihaona amin’Andriamanitra
amin’ny toerana voatokana. Avy eo, Kristy dia hametraka antsika eo ambany fitarihan’ny
Fanahy, izay mitarika antsika amin’ny fahamarinana rehetra, mametraka ny maha-zava-
dehibe ny tena amin’ny fileferana amin’i Kristy. Mandray ireo zavatra mivoaka amin’ny
vavan’i Kristy Izy ary mandresy lahatra azy ireo amin’ny hery velona ho amin’ny fanahy feno
fankatoavana. Noho izany azontsika atao ny mandray ny marika avy amin’ny Fototry ny
fahamarinana. (In the Heavenly Places, p. 236).
Fanoloran-tena Lalina kokoa
Misy zavatra iray misongandina tao amin’ny Efitrano Ambony. Nitondra faharesen-
dahatra lalina ny Fanahy Masina ho an’ireo mpianatra tsirairay izay nivavaka. Noho ny
fahazavana avy amin’ny sorona mandrakizay nataon’i Kristy teo amin’ny hazo fijaliana, dia
niaiky izy ireo fa ivelambelany fotsiny ny fanoloran-tenan’izy ireo. Azon’izy ireo fa niantso
azy ireo ho amin’ny fanoloran-tena lalina kokoa Kristy. Nanokatra ny fony amin’ny
fahafenoan’ny asan’ny Fanahy Masina izy ireo, ary nanolotra tanteraka ny fiainany hanao ny
Sitrapony. Ny fileferana tanteraka tahaka izany amin’ny sitrapon’Andriamanitra ihany koa dia
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
81
manomana ny fo handray ny fahafenoan’ny firotsahan’ny Fanahy Masina. Ny fara-orana dia
hirotsaka amin’ny fo feno fileferana.
Raha eo am-pandinihana am-bavaka ireto fanontaniana eto ambany ireto ianao,
angataho Andriamanitra ahatonga ny fileferanao ho lalindalina kokoa.
1. Mandresy lahatra ahy ve ny Fanahy Masina hampandefitra ny fiainako izao
ankehitriny izao?
2. Moa ve misy zavatra tiako fatratra izay iantsoan’Andriamanitra ahy hampileferana?
3. Vakio amin’ny fahafenoany ny Salamo 51, ary angataho Andriamanitra, inona no
tiany hampianarina anao eo am-pamakiana. Diniho manokana ireto andininy manaraka
avy amin’ny Salamo 51 ireto.
“Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko
ato anatiko. Aza manary ahy hiala eo anatrehanao; ary aza manaisotra ny Fanahinao Masina
amiko. Ampodio amiko ny fifaliana amin'ny famonjenao; ary tohàny fanahy mazoto aho. Dia
hampianatra ny olon-diso ny lalanao aho; ary ny mpanota hampiverenina aminao.” (Salamo
51:10-13).
Fizarana 2: Mandinika ny Toro-marika araka an’Andriamanitra
Am-pisaintsainana lalina, vakio ity andalana manaraka ao amin’ny Testimonies to
Ministers, pejy 506 sy 507.
“Angataho ny Tompon’ny orana hanome amin’ny fotoany ny fara-orana; dia hanao
rahona mamiratra ny Tompo ary hanome azy ireo tondrak’orana.” “Hanome anao orana Izy,
ny loha-orana sy ny fara-orana.” Any Antsinanana ny loha-orana dia mirotsaka amin’ny
fotoana famafazana. Tena ilaina izany mba ahazoan’ny voa mamoa. Noho ny asa
fanamasahan’ny fanondrahana, dia mitsimoka izy. Ny fara-orana, mirotsaka amin’ny
fiafaran’ny fotoam-pambolena dia manamasaka ny voa ary manomana izany ho amin’ny
fijinjana. Ny Tompo dia mampiasa izany fomba voa-janahary izany hanehoana ny asan’ny
Fanahy Masina. Satria nomena mialoha ny ando sy ny orana mba hampitsimoka ny voa, avy
eo hanamasaka ny voly, tahaka izany dia omena Fanahy Masina hampandroso avy amin’ny
dingana iray ho amin’ny iray hafa, ny dingan’ny fitomboana ara-panahy. Ny fahamasahan’ny
voa dia maneho ny fahafenaon’ny asan’ny fahasoavan’Andriamanitra amin’ny fanahy. Noho
ny herin’ny Fanahy Masina, ny endrik’Andriamanitra ara-moraly dia atao ho tanteraka
amin’ny toetra. Tsy maintsy ovaina amin’ny fahafenoany ho tahaka an’i Kristy isika.
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
82
Ny fara-orana, manamasaka ny voan’ny tany dia maneho ny fahasoavana ara-panahy
izay manomana ny fiangonana ho amin’ny fiavian’ny Zanak’olona. Kanefa raha tsy mirotsaka
ny loha-orana dia tsy misy fiainana; ilay voa maintso tsy matohy dia tsy hamohy. Raha tsy
manao ny asany ireo fanondrahana aloha, dia tsy afaka mitondra fahatanterahana ho an’ny
voa ny fara-orana.
Tsy maintsy “mitsimoka voalohany, avy eo mamony, ao aorian’izay ny voly feno.”
Tsy maintsy misy fitomboana mitohy ny fahatsaran-toetran’ny Kristianina, fandrosoana
mitohy amin’ny fanandramana Kristianina. Izany no tokony hokatsahintsika amin’ny
faniriana lalina, ny ahatonga antsika hiravaka ny foto-pinoan’i Kristy, Mpamonjy antsika.
Betsaka ireo lavo amin’ny fatra lehibe tamin’ny fandraisana ny loha-orana. Tsy
azon’izy ireo avokoa ny tombotsoa rehetra izay nomen’Andriamanitra azy ireo. Manantena
izy ireo fa ny tsy fahampiana dia ho fenoin’ny fara-orana. Rehefa mirotsaka ny fahafenoan’ny
fahasoavana, dia manana fironana hanokatra ny fony handray izany izy ireo. Manao
fahadisoana tanteraka izy ireo. Ny asa izay natombok’Andriamanitra ao am-pon’ny
olombelona tamin’ny fanomezana ny Fahazavany sy ny fahafantarana Azy dia tsy maintsy
mitohy mandroso. Ny tsirairay dia tsy maintsy resy lahatra amin’izay ilainy. Tsy maintsy
foanana amin’ny fiovaovana ny fo ary diovin’ilay Fanahy mitoetra ao anaty. Tamin’ny
fiaiken-keloka sy fanadinoana ny fahotana, tamin’ny vavaka amin-kafanam-po sy fanoloran-
tena tamin’Andriamanitra no nanomanana ireo mpianatra voalohany amin’ny fandrotsahana
ny Fanahy Masina tamin’ny andro Pentekosta. Izany asa izany ihany, fa bebe kokoa dia tsy
maintsy vitaina ankehitriny.
Avy eo ireo olombelona miasa dia mangataka fotsiny ny fitahiana, ary miandry ny Tompo
ahatanteraka ny asa mahakasika azy. Andriamanitra no manomboka ny asa, ary Izy no
hamarana ny Asany, amin’ny fanaovana ny olona ho feno ao amin’i Kristy. Kanefa tsy
maintsy tokony ho tsy misy fanaovana tsinotsinona ny fahasoavana asehon’ny loha-orana.
Ireo izay miaina araka ny fahazavana noraisiny no handray fahazavana bebe kokoa. Raha tsy
mampandroso isan’andro ny fahatsaran-toetra Kristianina isika, tsy ho fantatsika ny
fisehon’ny Fanahy Masina amin’ny fara-orana. Mety hirotsaka amin’ireo fo manodidina
antsika izany, kanefa tsy ho fantatsika na ho raisintsika izany.
Fizarana 3: Mampiatra ny Toro-marika araka an’Andriamanitra
Mivavaka ho an’ny Ranonorana farany
Raha toa Andriamanitra ka maniry mafy hanome ny Fanahiny Masina mihoatra noho
ny ray izay maniry hanome fanomezana tsara ho an’ny zanany, nahoana no ilaina ny
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
83
mivavaka irotsahan’ny Fanahy Masina amintsika (Lioka 11:13)? Moa misalasala ve
Andriamanitra hanome ny fitahiany be dia be?
Amin’ny lesona anio dia hahita valiny amin’ireo fanontaniana iankinan’aina isika.
1. Inona no tanjona fototra voalohany amin’ny ranonorana farany? (Jereo Testimonies to
Ministers, pejy 506, paragrafy 1 sy 2.)
A. “Amin’ny herin’ny Fanahy Masina _______________________________________
____________________________________________________________________.”
B. “Ny fara-orana, manamasaka ny vokatry ny tany dia maneho ny ________________
____________________________________________________________________.”
2. Nahoana ny ankamaroan’ny mambra no ho lavo amin’ny fandraisana ny ranonorana
farany? (Jereo Testimonies to Ministers, pejy 506, paragrafy 2.)
_____________________________________________________________________
_____________________________________________________________________
3. Ahoana no niomanan’ireo mpianatra handray ny firotsahan’ny Fanahy Masina
tamin’ny Andro Pentekosta? (Jereo Testimonies to Ministers, pejy 507, paragrafy 1.)
A. “Tamin’ny _________________ sy _________________ ny fahotana, tamin’ny
______________ amin-kafanam-po sy ____________________________________
no nanomanana ireo mpianatra voalohany amin’ny fandrotsahana ny Fanahy Masina
tamin’ny andro Pentekosta.”
4. Iza no handray ny firotsahan’ny Fanahy Masina amin’ny ranonorana farany? (Jereo
Testimonies to Ministers, pejy 507, paragrafy 1, tapany farany.)
A. “Ireo izay ihany no ____________________________________________________
____________________________________________________________________.”
B. “Raha toa isika ka _____________________________________________________
____________________________________________________________________.”
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
84
Miara-miasa amin’ny voalohany ka hatramin’ny farany amin’ny dingan’ny fambolena
ny loha-orana sy ny fara-orana. Toy izany koa ny asan’ny Fanahy Masina. “Ny
fahasoavan’Andriamanitra dia ilaina amin’ny voalohany, ny fahasoavan’Andriamanitra
amin’ny dingan’ny fandrosoana tsirairay, ary ny fahasoavan’Andriamanitra irery ihany no
afaka mamita ny asa.” (Testimonies to Ministers, pejy 508, paragrafy 1.)
A. “Tsy misy toerana hitsaharana ho antsika amin’ny ___________________________
____________________________________________________________________.”
B. “Mety azontsika atao ny mahazo ny fatran’ny Fanahy Masina, kanefa ____________
____________________________________________________________________.”
C. “Raha tsy mandroso isika, raha __________________________________________
____________________________________________________________________.”
Tsy amin’Andriamanitra ny olana. Maniry mafy ny handrotsaka ny Fanahiny Masina
amin’ny fanahy mangetaheta Izy. Ny olana dia tsy vonona isika handray ny fahafenoan’ny
fitahian’Andriamanitra. Ny antson’Andriamanitra maika indrindra amin’ny vahokan’ny andro
farany dia ny hiomana handray ny ranonorana farany. Miantso antsika izy ho amin’ny vavaka,
fiaiken-keloka, fanekena ny fahotana, fanetren-tena, ary fanoloran-tena. Hanondrika ny
lohanao ve ianao izao ankehitriny izao ary hilaza amin’Andriamanitra fa maniry hikatsaka ny
herin’ny Fanahiny ho lohalaharana eo amin’ny fiainanao?
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
85
ANDRO FAHASIVY
FANKASITRAHANA FENO FIFALIANA
Nofenoin’ny Fanahy Masina fiderana am-pifaliana ny fon’ireo mpianatra. Tsy niatrika
ny ho avy amin-tahotra intsony izy ireo, ka nisondrotra ny fahatokiany. Namela ny helok’izy
ireo ny Mpamonjy. Niala ny fahamelohany. Novain’ny herin’ny Fanahy Masina ny
fiainan’izy ireo. Ilay Namany akaiky indrindra dia eo an-tànan-kavanan’ny seza
fiandrianan’Andriamanitra hanome izay rehetra ilain’izy ireo. Ankehitriny dia misy zavatra
azon’izy ireo hanaovana hira. Ny fisaorana an’i Kristy, ilay nanavotra azy ireo no nanenika ny
fiainana. Toy izao no nanambaran’i Lioka izany fisaorana sy fiderana izany: “Ary dia niray
saina isan'andro izy ka nazoto nankeo an-kianjan'ny tempoly ary namaky mofo tao an-trano
ka nihinan-kanina tamin'ny fifaliana sy ny fahatsaram-po, nidera an'Andriamanitra sady
nahita fitia tamin'ny vahoaka rehetra. Ary ny olom-bonjena dia nanampin'ny Tompo
isan'andro ho isan'ireo.” (Asa 2:46, 47).
Heniky ny fahagagana ireo mpianatra. Fifaliana no niboiboika avy amin’ny fo feno
fisaorana.
Ny fijoroana vavolombelon’ilay malemy sitrana, noho ny herin’i Kristy tamin’ny alalan’i
Petera teo am-bavahadin’ny tempoly, dia maneho ny fiderana avy amin’ny fo feno
fankasitrahana. Raha ny hery vaovao no nikoriana tao anatin’ilay lehilahy nalemy tongotra sy
tànana, dia izao no ambaran’ny Soratra Masina: “Ary niantsambotra izy ka nijoro, dia
nitsangantsangana ary niara-niditra taminy ho eo an-kianjan'ny tempoly, nitsangantsangana ny
niantsambotsambotra sady nidera an'Andriamanitra. Ary ny vahoaka rehetra nahita azy
mitsangantsangana sy midera an'Andriamanitra. » (Asan'ny Apostoly 3:8, 9). Novain’i Kristy
tanteraka ny fiainan’ity lehilahy ity, ka ny vokatr’izany ara-dàlana dia ny fiderana sy
fisaorana. Ny fijoroany ho vavolombelona dia avy amin’ny fo heniky ny fankasitrahana. Tsy
azony natao ny nanafina ny fankasitrahany ilay Iray izay nanao be taminy.
Niova tao amin’ny Efitrano Ambony
Nanandrana fiovana ireo mpianatra tao amin’ny efitrano ambony, ary ny fon’izy ireo
dia feno fankasitrahana ihany koa. Tahaka ity lehilahy malemy ity, dia nanandrana ny herin’i
Kristy velona tamin’ny fiainany izy ireo. Tsapan’izy ireo ny halebehin’ny nataon’ny
Mpamonjy ho azy ireo teo amin’ny hazo fijaliana. Azon’izy ireo lalindalina kokoa ny hevitry
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
86
ny sorona nitambesatra Taminy. Eo am-panazavana izany fanandramana tao amin’ny efitrano
ambony izany, dia hoy Ellen White:
Tonga tamin’ny mpianatra izay niandry sy nangataka tamin’ny fahafenoany izay
nahatratra ny fo rehetra, ny Fanahy. Niseho tamin-kery tamin’ny fiangonany Ilay tsy manam-
petra. Tahaka ny voatana sy vaofefy izany hery izany nandritra ny fotoana ela, ary ankehitriny
maharavoravo ny lanitra ny ahazoany mandrotsaka ny harem-pahasoavan’ny Fanahy amin’ny
fiangonana. Koa noho izany hery miasa mangina avy amin’ny Fanahy, dia nifangaro tamin’ny
fibebahana sy fiaiken-keloka ny hira fiderana noho ny fahotana voavela. Teny fisaorana sy
faminaniana no re. Niondrika ambany ny lanitra manontolo hijery sy hankalaza ny
fahendren’ny fitiavana tsy misy toa azy, tsy takatry ny saina. Tolagaga ny apostoly ka niloa-
bava hoe: “Izao no fitiavana.” Noraisiny ny fanomezana nozaraina taminy. Ary inona no
nitranga? Nanavatsava làlana tao amin’ny tsy finoana ny sabatry ny Fanahy vao noranitina
tamin’ny hery sy naroboka tao amin’ny tselatry ny lanitra. Anarivony no niova fo indray
andro. (The Acts of the Apostles, p. 38).
Tsy reraka mihintsy nanambara ny tantaran’ny fitiavan’i Jesosy ireo mpianatra. Tena
feno fankasitrahana mandrakariva ny Sorona nataony izy ireo. Na dia tamin’ny vanim-
potoana sarotra indrindra tamin’ny fiainan’izy ireo aza, dia mbola nihevitra ny halebehin’ny
famonjena izy ireo. Izany no nahazoan’izy ireo nihira tao anatin’ny fijaliana, nifaly na dia
nejehina aza, ary nidera na dia nigadra aza. Alaivo sary an-tsaina ilay mpiambina Filipiana
rehefa nandre an’i Paoly sy Silasy, tamin’ny misasakalina nivavaka sy nihira fiderana ho
an’Andriamanitra. Mifatotra amin’ny rojo vỳ, migadra ao anatin’ny haizina, tranomaizina
mikizo, nefa nifaly tamin’ny fahatsaran’Andriamanitra izy ireo. Nisy fiatraikany tao an-
tsain’ireo gadra izany satria izao no voalaza hoe: “ary nihaino azy ireo mpifatotra” (Asa
16:25). Niatraika tamin’ilay mpiambina ihany koa ny finoan’izy ireo. Rehefa nisy orohoron-
tany nandrava tanteraka ny figadrana, ilay mpiambina dia efa nihevitra fa nandositra ireo
gadra, ka nahatonga azy hihevitra fa ho faty ho tambin’ny fitsoahan’izy ireo. Taitra izy nahita
an’i Paoly sy Silasy mbola nijanona teo, niaraka tamin’ireo gadra hafa rehetra. Novesaran’ny
endrik’Andriamanitra teo amin’ireo mpanara-dia an’i Jesosy roa ireo, nanolotra ny fiainany
ho an’i Kristy ilay mpiambina. Misy zavatra manan-kery amin’ny fiainana heniky ny
fifaliana, fisaorana, ary fiderana. Ny fifaliana dia iray amin’ireo vokatry ny Fanahy. Ny
fisaorana sy fiderana dia avy amin’ny fo feno fifaliana.
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
87
Ny Fifalian’i Jesosy
Ny fijoroana ho vavolombelon’ny fiainana feno fifaliana dia tsy azo toherina. Ireo
olona misalasala dia liana kokoa amin’ny fahitana fampisehoana ny filazantsara, hiainana
amin’ny fiainana feno fifaliana noho ny mandre toriteny. Ny fanontaniana fototra tokony
apetraky ny tsirairay milaza ho Kristianina dia: moa ve maneho ny fifalian’i Jesosy amin’ireo
olona manodidina ahy ireo fihetsiko? Moa ve mahita fiderana sy fisaorana eo amin’ny
fiainako izy ireny? Namirapitry ny fifalian’i Jesosy ireo mpino ao amin’ny Testamenta
Vaovao.
Tamin’ny fanoratana ho an’ny fiangonana tao Filipy, dia izao no nampianarin’i Paoly:
“Mifalia mandrakariva amin'ny Tompo; hoy izaho indray: Mifalia” (Filipiana 4:4). Nanolo-
kevitra ny Efesiana izy mba haneho ny fifalian’izy ireo “ka mifampilazà amin'ny salamo sy
ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, dia mihira sy mikalo ao am-ponareo ho an'ny Tompo”
(Efesiana 5:19). Notsindriany mafy tamin’ireo Kolosiana “Mahareta amin'ny fivavahana, ka
miambena amin'izany amin'ny fisaorana” (Kolosiana 4:2). Ireo Kristiana vao niova fo ireo dia
nanova izao tontolo izao, tsy tamin’izay nampianariny ihany, fa tamin’ny fomba fiainany. Ireo
teny araka an’Andriamanitra dia nifameno tamin’ny fiainana araka an’Andriamanitra.
Tsy niankina tamin’ny zavatra tsara teo amin’ny fiainan’izy ireo mandrakariva ny
fisaoran’izy ireo. Tsy nidera an’Andriamanitra fotsiny izy ireo rehefa hambinina sy salama.
Nidera tamin’ny fotoana rehetra izy ireo satria, na dia tamin’ny fotoana ratsy indrindra aza dia
manana zavatra tokony hanaovana fiderana izy ireo. Tsaroako i Matthew Henry, ilay mpitory
teny Anglisy tamin’ny taon-jato faha sivy ambinifolo izay nendahina indray andro. Ny hariva
dia nanoratra tao amin’ny diariny izy: “nendahina aho anio ary misaotra Anao voalohany
indrindra, satria tsy mbola nohendahiny mihintsy taloha; faharoa, satria na dia naka ny
poketrako aza izy ireo dia tsy naka ny fiainako; fahatelo, satria na dia naka ny zavatro rehetra
aza izy ireo, dia tsy betsaka izany; ary fahaefatra, satria izaho no nendahina, fa tsy izaho no
nanendaka.”
Endrey izany fijoroana ho vavolombelona. Rehefa mitaraina amin’ny toe-javatra
miseho amin’ny fiainantsika isika, dia manao an’Andriamanitra ho miangatra. Ny fahatokiana
amin’ny fotoan-tsarotra dia maneho fitokiana amin’Andriamanitra izay mifehy izao tontolo
izao sy mitarika tanteraka ny fiainantsika. Betsaka amin’ny zavatra mitranga eo amin’ny
fiainantsika no tsy rariny sy ratsy. Kanefa, na dia ao anatin’ireny fanandramana mafy sy
maharary indrindra ireny aza, dia azontsika atao ny mifaly ao amin’ny Mpamonjy, izay ny
fitiavany dia tsy hamela antsika ho irery sy hanao ny zavatra rehetra ho tsara indray andro
any. Handrotsaka ny Fanahy Masina amin’ny herin’ny ranonorana farany Andriamanitra ho
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
88
amin’ireo izay nahita ny tsiambaratelon’ny fahatokiana na dia amin’ny fiainana sarotra
indrindra aza. Raha hitantsika ny fomba hiderana Azy ao anaty haizina, dia handray ila
maraina hirotsahan’ny ranonorana farany isika. Raha azontsika atao ny mihira ao anaty
haizina, dia ho handramantsika ny famelombeloman’ny andro vaovao amin’ny fahafenoan’ny
herin’ny Fanahy.
Rehefa faly amin’ny Fahasoavany isika, mitolagaga amin’ny Fitiavany, ary heniky ny
Hatsarany, dia tsy hisy fanandramana eo amin’ny fiainantsika izay afaka hamongotra ny
fifaliana sy fiadanana ao anaty nomeny. Mety handalo fangidiana isika, kanefa ao amin’ny
lalina indrindra amin’izy ireny dia misy tahirim-pifaliana izay afaka hiboiboika. Mety hiaina
aretim-po isika, kanefa ny reniranon’ny fifaliana dia mitosaka amin’ny fanahintsika. Izay
nataony ho antsika, izay ataony ho antsika, ary izay mbola ho hataony ho antsika dia hiazona
antsika amin’ny fifaliana ao anatin’ny tafiotran’ny fiainana.
Tao amin’ny Efitrano Ambony, dia nanokatra ny fony ho amin’ny fifaliany ireo
mpianatra. Feno fisoarana sy fiderana ny fon’izy ireo.
Diniho amim-bavaka ireto fanontaniana eto ambany ireto:
1. Moa misy zavatra eo amin’ny fiainanao izay mandroba ny fifaliana irin’i Jesosy
hanananao? Nahoana?
2. Mandania fotoana fohy hiheverana izay rehetra anananao ao amin’i Kristy. Inona no
fanomezana lehibe indrindra avy Aminy ho anao?
3. Moa mahita ny fifaliany miseho eo amin’ny fiainanao ve ny hafa?
4. Moa fihetseham-po sa safidy ny fifaliana, fisaorana ary fiderana?
5. Amin’ny fomba ahoana no ahazoanao mifidy ny ho feno fisaorana na dia tsy
mahatsapa fa feno fisaorana aza ianao?
Fizarana 2: Mandinika ny Toro-marika araka an’Andriamanitra
Am-pisaintsainana lalina, vakio ity andalana manaraka ao amin’ny Testimonies to
Ministers, pejy 509 sy 512.
Mety ho mety amin’ny fandrotsahana ny ranonoram-pahasoavana ny fotoana. Kanefa,
Andriamanitra tenany mihitsy no tsy maintsy mandidy ny orana hirotsaka. Noho izany dia tsy
tokony ataontsika tsinotsinona ny fangatahana. Tsy tokony ahatoky ny hery mahazatra isika.
Tsy maintsy mivavaka isika mba hanokafan’Andriamanitra ny loharanon’ny fiainana. Ary tsy
maintsy ny tenantsika no mandray ny rano velona. Amin’ny fo torotoro, andeha isika
hivavaka amin-kafanam-po ankehitriny, amin’ny fotoanan’ny ranonorana farany mba
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
89
hirotsahan’ny ranonoram-pahasoavana amintsika. Amin’ny fivoriana rehetra atrehintsika,
tokony hisandratra ny vavaka ataontsika, ka amin’izay fotoana izay mihitsy no
hanafanan’Andriamanitra sy hamelombelomany ny fanahintsika. Raha mikatsaka
an’Andriamanitra ho an’ny Fanahy Masina isika, dia hiasa ao amintsika ho fankatoavana,
fanetrena ny saina, fianteherana amin’Andriamanitra ho amin’ny firotsahan’ny fara-orana
izany. Raha mivavaka ho an’ny fitahiam-pinoana isika, dia horaisintsika izany araka ny teny
fikasan’Andriamanitra.
Ny fifandraisan’ny Fanahy Masina mitohy amin’ny fiangonana dia asehon’ny
mpaminany Zakaria amin’ny endrika hafa, izay misy lesona fampaherezana mahagaga ho
antsika. Izao no ambaran’ny mpaminany: “Ary niverina ilay anjely niresaka tamiko ka
namoha ahy toy ny olona fohazina amin-tory. Dia hoy izy tamiko: Inona no hitanao? Ary hoy
izaho: Hitako fa, indro, misy fanaovan-jiro tena volamena, ary ny fitœran-diloilony dia eo an-
tampony, ary ny lela fanaovan-jirony fito kosa dia eo aminy, ary misy fantsona fito avy
amin'ny isan'ny lela fanaovan-jiro izay eo an-tampony; ary misy hazo oliva roa eo anilany, ny
anankiray eo an-kavanan'ny fitœran-diloilo, ary ny anankiray eo an-kaviany. Dia niteny
tamin'ilay anjely niresaka tamiko aho nanao hœ: Inona moa ireo, tompoko?... Dia namaly izy
ka nanao tamiko hœ: Izao no tenin'i Jehovah amin'i Zerobabela: Tsy amin-kery na amim-
pahatanjahana, fa amin'ny Fanahiko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro … Dia namaly aho ka
nanao taminy hœ: Inona moa ireo hazo oliva roa eo an-kavanan'ny fanaovan-jiro sy eo an-
kaviany ireo?... Dia hoy izy: Ireo no zana-diloilo roa, izay mitsangana eo anoloan'ny
Tompon'ny tany rehetra.”
Avy amin’ireo hazo oliva roa, ny diloilo dia manaraka ny fantsona misy ny lela
fanaovan-jiro ary avy amin’ny fanaovan-jiro volamena no manome fahazavana ho an’ny
tabernakely. Koa noho izany avy ao amin’ilay fitoerana masina izay misy ny
fanatrehan’Andriamanitra, dia omena ny olombelona izay manolo-tena ho amin’ny asany ny
Fanahy Masina. Ny iraka entin’ireo nohosorana dia ny hampita fahazavana sy hery ho an’ny
vahoakan’Andriamanitra. Hanome antsika fitahiana no mahatonga azy ireo mijoro eo amin’ny
fanatrehan’Andriamanitra. Toy ny iankian’ny hazo oliva amin’ny fantsona, dia tahaka izany
no hikatsahan’ny mpitondra hafatra avy any an-danitra fa izay noraisiny dia avy
amin’Andriamanitra avokoa. Ny harena rehetra any an-danitra dia miandry ny fangatahana sy
fandraisana; ary tahaka ny handraisantsika ny fitahiana, no hizarantsika izany koa. Koa satria
feno ilay fanaovan-jiro masina, dia tonga mpitondra fahazavana ho an’izao tontolo izao ny
fiangonana.
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
90
Izany no asa izay tian’ny Tompo anomanana ny fanahy tsirairay amin’izao fotoana
izao, raha mbola mihazona ny rivotra efatra ireo anjely efatra, izay mahatonga azy ireo tsy
hitsoka raha tsy nandray ny tombokase teo amin’ny handriny ireo
mpanompon’Andriamanitra. Tsy misy fotoana fampifalifaliana ny tena ankehitriny. Tsy
maintsy karakaraina tsara ny jiron’ny fanahy. Tsy maintsy omena ny diloilon’ny fahasoavana
izy. Tsy maintsy raisina ny fitandremana tsirairay hiarovana ny fitotonganana ara-panahy, ka
ahatonga ny andro lehiben’Andriamanitra ho tampoka amintsika toy ny mpangalatra amin’ny
alina. Ny fijoroana vavolombelona tsirairay ho an’Andriamanitra dia tsy maintsy ampiasaina
amin’ny fomba izay notendren’Andriamanitra. Tsy maintsy mandray fanandramana lalina sy
velona isan’andro amin’ny asa ho fanatanterahana ny toetra Kristianina isika. Tokony handray
ny diloilo masina isan’andro isika, mba ahazoantsika mizara izany amin’ny hafa. Ny rehetra
dia afaka ny ho mpitondra fahazavana ho an’izao tontolo izao raha iriny izany. Tokony
hampietry ny tenantsika eo amin’ny fahitan’i Jesosy isika. Tokony handray ny tenin’ny
Tompo amin’ny toro-marika sy fampianarana isika, ary mampita izany am-pifaliana. Mila
vavaka betsaka kokoa ankehitriny. Izao no baikon’i Kristy: “mivavaha, ka aza mitsahatra;”
izany dia fihazonana ny saina hiakatra ho eo amin’Andriamanitra, ilay loharanon’ny hery sy
fahombiazana rehetra.
Mety nanaraka ny làlana èty isika, kanefa tsy azo raisina ho antoka izany
hanaporofoana fa hanaraka izany hatramin’ny farany isika. Raha niara-nandeha
tamin’Andriamanitra tao amin’ny Fanahy isika, dia satria nahita Azy am-pinoana isan’andro
isika. Avy amin’ireo hazo oliva roa, ny diloilo mikoriana avy amin’ny fantsona volamena dia
nambara tamintsika. Kanefa ireo tsy mikolokolo ny fanahy sy fahazarana mivavaka dia tsy
afaka hanantena handray ny diloilo volamenan’ny fahatsarana, ny faharetana, ny fiaretana
fahoriana, ny fahamoram-panahy, ny fitiavana.
Ny tsirairay dia tokony hanala ny tenany amin’izao tontolo izao, izay feno
faharatsiana. Tsy tokony hiaraka amin’Andriamanitra amin’ny fotoana iray fotsiny isika, ary
avy eo hiala Aminy ka handeha amin’ny fahazavantsika samirery. Tsy maintsy misy
fitohizana miorina mafy, faharetana am-pinoana. Tokony hidera an’Andriamanitra isika;
haneho ny voninahiny amin’ny toetra madio. Tsy misy iray amintsika ahazo ny fandresena
raha tsy misy ny faharetana, fihezahana mitovy lanja amin’ny tomba-bidin’ny tanjona
katsahintsika, na dia ny fiainana mandrakizay aza.
Ny tsy fahazoana hiainantsika ankehitriny dia tokony ny fangatahan’ireo tsy mahazo
ny Fanahy Masina. Angataho ny fitahiany. Fotoana izao hirehetantsika bebe kokoa am-
bavaka. Napetraka amintsika ny asa mafy, kanefa mahafaly, asa maneho ny voninahitr’i
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
91
Kristy amin’ireo izay ao anatin’ny haizina. Nantsoina hanambara ny fahazavana manokana
amin’izao fotoana izao isika. Ho an’izany rehetra izany, ny fandrotsahana ny Fanahy Masina
no ilaina indrindra. Tokony hivavaka ho amin’izany isika. Manantena antsika hivavaka
Aminy ny Tompo. Tsy nametraka fepetra amin’izany asa izany isika.
Fizarana 3: Mampiatra ny Toro-marika araka an’Andriamanitra
Maneho ny Vokatry ny Fanahy
Raha mikatsaka ny fahafenoan’ny Fanahy Masina isika, ka manokatra ny fontsika
handray ny Vahiny avy any an-danitra, dia hitondra fiovana mampivarahontsana amin’ny
fiainantsika Izy. Ny fandraisana ny Fanahy Masina dia miteraka ny vokatry ny Fanahy. Raha
tsy miseho amin’ny fifandraisantsika isan’andro amin’ny hafa ireo vokatry ny Fanahy, dia tsy
misy fahamarinana tena izy fa feno ny Fanahy isika. Rehefa mirotsaka ny Fanahy Masina, dia
mitondra fiovana amin’ny fomba fisainantsika, ny fomba fiainantsika, ary ny fomba
fifandraisantsika amin’ny hafa Izy. Amin’ity lesona ity dia tiantsika ny hianatra ny fomba
fiasan’ny Fanahy Masina manova ny toetrantsika, ary miteraka ireo vokatry ny Fanahy
amin’ny fiainantsika.
1. Ireo vokatry ny Fanahy dia vita lisitra ao amin’ny Galatiana 5:22, 23. Vakio ny tsirairay
amin’ireo vokatry ny Fanahy eto ambany, ary soraty amin’ny fehezanteny iray ny
famaritana na fanazavana izany vokatry ny Fanahy iray manokana izany. Inona no
hevitr’ireo vokatra ireo ho anao?
A. Fitiavana _____________________________________________________________
_____________________________________________________________________
B. Fifaliana _____________________________________________________________
_____________________________________________________________________
C. Fiadanana ____________________________________________________________
_____________________________________________________________________
D. Fahari-po _____________________________________________________________
_____________________________________________________________________
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
92
E. Fahamoram-panahy ____________________________________________________
_____________________________________________________________________
F. Fanaovan-tsoa _________________________________________________________
_____________________________________________________________________
G. Fahamarinana _________________________________________________________
_____________________________________________________________________
H. Fahalemem-panahy _____________________________________________________
_____________________________________________________________________
I. Fahononam-po ________________________________________________________
_____________________________________________________________________
2. Inona avy ireo vokatry ny fanahy telo izay asehonao amin’ny fotoana rehetra amin’ny
fiainanao?
A. _____________________________________________________________________
B. _____________________________________________________________________
C. _____________________________________________________________________
3. Inona ireo vokatry ny fanahy telo izay tianao aseho bebe kokoa?
A. _______________________________________________________________
B. _______________________________________________________________
C. _______________________________________________________________
4. Inona ireo fomba fitondran-tena telo izay “hiasan’ny Fanahy Masina ao anatintsika”
rehefa mivavaka ho an’ny ranonorana farany isika? (Jereo Testimonies to Ministers, pejy
509).
Rehefa mikatsaka an’Andriamanitra isika, dia hiasa ao anatintsika ny Fanahy Masina:
A. _____________________________________________________________________
B. _____________________________________________________________________
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
93
C. _____________________________________________________________________
5. “Izao no baikon’i Kristy: ‘mivavaha ka aza mitsahatra;’ izany dia fihazonana ny saina
hiakatra ho eo amin’Andriamanitra, ilay loharanon’ny hery sy fahombiazana rehetra.”
(Testimonies to Ministers, p. 511). Inona no vokatry ny fitondran-tena maharitra amin’ny
fikatsahana an’Andriamanitra amin’ny vavaka? (Jereo Testimonies to Ministers, pejy
511).
“Ireo izay tsy mikolokolo ny fanahy sy fahazarana mivavaka …
___________________________________________________________________________
___________________________________________________________________________
Ny Fanahy Masina, ilay Persona fahatelo amin’Andriamanitra telo izay iray, dia
Mpanova fiainana avy any an-danitra. Izy irery no afaka manome antsika ny hery ara-panahy
izay hitondra fiovana amin’ny fiainantsika. Ny Fanahy Masina irery ihany no afaka manova
ny fahazarana modely ho lalina. Ny fahotanana mitoetra lalina amin’ny toetrantsika dia azo
resena amin’ny Fanahy Masina irery ihany. Ny fiheveran-tena sy fomba fiaina ho an’ny tena
dia azo ovaina amin’ny Fanahy Masina irery ihany.
Ny famelana ny Fanahy Masina haneho amin-kery ny fitiavan’i Jesosy sy ny
fahasoavany tamin’ny alalan’ny fiainan’ireo Kristianina no vaindohan-draharaha ho azy ireo.
Hoy Jesosy mamintina izany: “Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia
hanampy ho anareo izany rehetra izany.” (Matio 6:33). Rehefa mikatsaka irery
an’Andriamanitra am-bavaka isika, dia hiditra ao am-pontsika ary hanova ny fiainantsika ny
Fanahy Masina.
“Fotoana ilana vavaka bebe kokoa ankehitriny.” (Testimonies to Ministers, p. 511).
“Amin’ny valin’ny vavaka irery ihany no ahazoana manantena ny fifohazana.”
(Selected Messages, bk. 1, p. 121).
Hanokatra ny fonao amin’Andriamanitra ve ianao ary hitalaho ny firotsahan’ny
Fanahy Masina anio? Hangataka Aminy ampahafantatra anao ireo vokatry ny Fanahy amin’ny
fiainanao ve ianao?
Maniry hampilefitra ny zavatra rehetra tsy mifaraka amin’ny sitrapony ve ianao?
Nahoana raha mivavaka toy izao ianao anio:
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
94
Tompo ô, am-panetren-tena no anekeko fa tsy maneho mandrakariva ireo vokatry ny
Fanahy amin’ny fiainako aho. Amin’ny fotoana rehetra dia tsy maharipo, mora fanahy, ary
malemy fanahy aho. Matetika dia tsy maneho ny fahasoavan’ny fahononam-po aho. Anio,
mibebaka amin’ny tsirambina vitako aho. Mifona amin’ireo fahotako ary manokatra ny foko
ho Anao aho. Mino aho fa afaka manao zavatra bebe kokoa noho izay azoko atao ho ahy
Ianao amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Omeko alàlana Ianao amin’izao fotoana izao
indrindra mba hanova ny fiainako haneho ireo vokatry ny Fanahy, ary haneho ny toetram-
pitiavana avy Aminao.
Amin’ny anaran’i Jesosy, amena.
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
95
ANDRO FAHAFOLO
FIJOROANA HO VAVOLOMBELONA MAMPIHETSI-PO
Alaivo sary an-tsaina ny fihetsik’ireo mpianatra manoloana ny Iraka Lehibe. Tena
goavana tokoa ny asa. Toa tsy ho azo tanterahina ny baiko hitondrana ny filazantsara
manerana izao tontolo izao. Amin’ny fomba ahoana no ahazoan’ity tarika mandiniky ny
mpianatra ity mitondra fiatraikany manan-danja ho an’ity Firenena Romana matanjaka ity?
Ny fiaraha-monina katolika Romana nandritrany taon-jato voalohany dia heniky ny fiokona
ara-politika, ny zavatra ara-materialy, voninahitra mifantoka amin’ny tena, filan’ny tena, tsy
fahadiovan-tsaina, ary finoanoam-poana ara-pivavahana. Teo anivon’ny fomban-drazana, dia
toa tsy mba toerana hitomboan’ny filazantsara mihintsy Jerosalema. Nanontany tena ireto
mpanara-dia an’i Kristy ireto raha ho azo tanterahina ny baikon’i Jesosy “handeha ho any
amin’izao tontolo izao hitory ny filazantsara amin’ny olona rehetra” (Marka 16:15).
Ny Iraka sy Teny Fikasana Lehibe
Mahafinaritra fa niaraka tamin’ny teny fikasana lehibe ny Iraka Lehibe. Hoy Jesosy:
“Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany; koa mandehana ianareo,
dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny
Zanaka ary ny Fanahy Masina” (Matio 28:18, 19). Avy eo dia nampiany hoe: “Fa hahazo hery
ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any
Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany.” (Asa 1:8). Amin’ny
Heriny irery ihany no hanatanterahina ny Iraka Lehibe. Ireo mpianatra dia natao hijoro
vavolombelona amin-kery—fa tsy ny herin’izy ireo. Tokony handroso feno ny herin’ny
Fanahy, ampaherezin’ny Fanahy, ary tarihin’ny Fanahy. Ny fanatrehan’ny Fanahy sy ny
heriny eo amin’ny fiainan’izy ireo no hanome fahombiazana ho azy.
Inona no vokatry ny nirotsahan’ny Fanahy Masina tamin’ny Andro Pentekosta?
Nentina hatrany amin’ny faran’ny tany nisy olona ny vaovao mahafaly momba ny Mpamonjy
nitsangana tamin’ny maty. Raha nitory ny hafatry ny fahasoavana manavotra ny mpianatra,
dia nisy fo nilefitra teo amin’ny herin’io hafatra io. Nahita olona maro niova fo nanao andiany
nanatona azy avy amin’ny vazan-tany rehetra ny fiangonana. Niova fo indray ireo nihemotra.
Niaraka tamin’ny mpino ny mpanota hikatsaka ilay perila sarobidy. Misy izay mpanohitra ny
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
96
filazantsara nasiaka indrindra nanjary mpitory azy mahafatra-po. Tanteraka ny faminaniana
manao hoe: “izay mila ho reraka dia ho tahaka an’i Davida… tahaka ilay Anjelin’i Jehovah eo
anoloany.” Fanehoana ny fitiavan’Andriamanitra sy ny fahalemem-panahiny no hitan’ny
kristianina tsirairay teo amin’ny rahalahiny. Zavatra iray ihany no nahaliana sy nanjaka;
anton-javatra iray ihany no nampientana ka nanakona ny zavatra hafa rehetra: Haneho
fitoviana amin’ny toetra amam-panahin’i Kristy sy hiasa hanalehibe ny fanjakany no
hambom-pon’ny mpino. (The Acts of the Apostles, p. 48).
Narotsaka tamin’ny Andro Pentekosta ny herin’ny Fanahy Masina mba hampahery ny
mpianatra hitondra ny filazantsara ho amin’izao tontolo izao. Nampahery ny fijoroana ho
vavolombelon’ireo mpianatra ny Fanahy Masina, ary ny vokatra dia nazava: ireo voatendry.
Niova ny fiainana. Telo arivo no natao batisa tao anatin’ny indray andro monja. Izany
tahirin’ny filazantsara izany dia mbola mitohy, ary an’arivony fanampiny no niditra ho
isan’ny fiangonana tao anatin’ny taona vitsy monja. Asa 4:4 dia milaza hoe: “Kanefa maro
tamin'izay nandre ny teny no nino, ka dia tonga tokony ho dimy arivo no isan'ny lehilahy.”
Izao no lazain’ny Asa 6:7: “Dia nandroso ny tenin'Andriamanitra; ary nihamaro indrindra ny
isan'ny mpianatra tany Jerosalema; ary maro be kosa ny mpisorona nanaiky ny finoana.”
Araka ny fanambaran’ny Asa 9:31, dia niorina tany Jodia, Galilia, ary Samaria ny fiangonana
vaovao ary “nitombo” izy ireny. Nanafoana ny sakana ara-kolotsaina, ara-panjakana, ary
araka ny fomba fiteny ny filazantsara. Notarihina tamin’ny fomba mahagaga hijoro
vavolombelona tamin’i Kornelio, ilay kapiteny tamin’ny antokon’ny miaramila Italiana izay
nikatsaka ny fahamarinana; ary Filipo dia nanazava ny hery mahagagan’ny Hazo fijaliana
niasa mangina tamin’ilay Etiopianina. Ny boky ara-baiboly antsointsika hoe Ny Asan’ny
Apostoly dia mety ho marina kokoa omena ny lohateny hoe Ny Asan’ny Fanahy Masina.
Fijoroana ho Vavolombelona: Tanjon’ny Firotsahan’ny Fanahy
Rehefa kely ny fahalianan’ny fiangonana amin’ny fijoroana ho vavolombelona, dia
kely ny fisehon’ny Fanahy Masina. Nahoana Andriamanitra no handrotsaka ny fahafenoan’ny
heriny hoentina mijoro ho vavolombelona raha toa ka kely ny fahalianan’ny vahoakany hijoro
ho vavolombelona? Tsy tanjona ho an’ny tena manokana ny herin’ny Fanahy Masina. Ny
teny fikasana ho an’ny ranonorana farany dia natao hamitana ny iraka hitondrana ny
filazantsara ho an’izao tontolo izao. Mety hitarika amin’ny fiheverana diso toerana ho an’ny
tena ny vavaka tsy misy fifantohana amin’ny fijoroana ho vavolombelona. Ny fianarana
baiboly tsy misy fijoroana ho vavolombelona dia mety hitarika amin’ny endrika ivelan’ny
fanamarinan-tena. Ireo Fariseo dia nivavaka sy niatra ny Soratra Masina nandritra ny ora
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
97
maro isan’andro, kanefa nanameloka an’i Jesosy izy ireo. Nahoana? Antony tsotra no
nahatonga izany. Ny fiainan’izy ireo mifantoka amin’ny tenany dia nanana toerana kely ho
an’ny Mesia fitiavan-tena tao anatiny. Mifanohitra amin’izay, ny fijoroana ho vavolombelona
dia mandresy ny fitiavan-tena ho amin’ny fahafatesana. Ny fo heniky ny vavaka, fianarana
baiboly amin-kafanam-po, ary fijoroana ho vavolombelona maharitra no tsiambaratelon’ny
fifohazana marina rehetra. Ny tanjona fototry ny vavaka sy fianarana baiboly dia ny hitarika
antsika ho akaiky kokoa an’i Jesosy, koa noho izany dia azony atao ny mitoky amintsika
amin’ny fandrotsahana ny herin’ny Fanahy Masina amin’ny fijoroana vavolombelona mahery
vaika. Tsy hirotsaka hanome voninahitra ny tenantsika ny ranonorana farany. Tsy hanova ny
mpianatra tsy miraika ho tonga mpijoro vavolombelona maharitra izany. Asan’ny loha-
oran’ny Fanahy no mandresy lahatra antsika amin’ny fahotana, mampahery antsika hiatrika
ny fahavalo, ary handamina ny loha-laharana ho antsika amin’ny fijoroana ho vavolombelona.
Mirotsaka hamarana ny asan’ny fahasoavan’Andriamanitra amin’ny fiainantsika sy ho an’izao
tontolo izao ny ranonorana farany. Toroana hevitra isika fa raha tsy manana fifandraisana
velona, amin’ny loharanon’ny fitomboana ara-panahy rehetra ny mambra ao amin’ny
fiangonan’Andriamanitra ankehitriny, dia tsy ho vonona izy amin’ny andro fijinjana. Raha tsy
tazoniny hadio sy mirehitra ny jirony, dia tsy ho afaka handray fahasoavana fanampiny izy
amin’ny fotoana ilàny fanampiana manokana.
Ireo izay mandray ny fanampim-pahasoavana vaovao hatrany ihany, no hanan-kery
mifamatra amin’izay ilainy isan’andro sy ny fahaizana hampiasa io hery io. Tsy hiandrandra
fotoana ho avy izay ahazoany fanahy amin’ny fomba mahagaga, amin’ny alalan’ny
fanosoran’ny hery ara-panahy izy, fa milefitra amin’Andriamanitra isan’andro kosa, mba
hanaovany azy ho fitaovana azony ampiasaina. Isan’andro dia manararaotra ny fotoana mety
hanaovany ny fanompoana izay mety ho tratrany izy. Isan’andro dia mijoro ho
vavolombelon’ny Tompo izy na aiza na aiza misy azy, na eo amin’ny faritra tsotsotra eo
amin’ny asa ao an-tokantrano, na eo amin’ny saha hanaovana soa ho an’ny besinimaro. (The
Acts of the Apostles, p. 55).
Tao amin’ny Efitrano Ambony, nanolotra ny tenany hitondra ny filazantsara ho
amin’izao tontolo izao ireo mpianatra. Ny programan’izy ireo manokana dia niorina tamin’ny
fanatanterahana ny programan’i Kristy. Ny planin’izy ireo dia nilefitra tamin’ny
fanatanterahana ny planin’i Kristy. Ny fanirian-daza maha-olombelona tao amin’izy ireo dia
nilaozana mba ahazoan’izy ireo mandroso miaraka amin’ny faniriam-boninahitry Kristy
hanavotra ny taranak’olombelona. Naharitra izy ireo teo amin’ny fizarana ny vaovao
mahafaly tamin’izao tontolo izao, momba an’i Kristy izay nanova ny fiainan’izy ireo.
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
98
Faniriana iray no nameno ny fo—hamita ny Iraky Kristy sy hitory ny filazantsara
amin’izao tontolo izao.
Inona no fanirianao lalina indrindra eo amin’ny fiainanao? Maniry ny herin’ny Fanahy
Masina hampahery ny fijoroanao vavolombelona ve ianao? Mizara ara-potoana ny finoanao
amin’ny hafa ve ianao? Raha toa ka voameloka eo amin’ny fitsarana ianao noho ny fizaranao
ny finoanao amin’ny hafa sy fijoroanao ho vavolombelona momba ny vaovao mahafalin’i
Jesosy, moa ve misy fahamarinana ampy hanosika anao? Hirotsaka amin’ny ranonorana
farany ny Fanahy Masina ho an’ireo izay mijoro ho vavolombelona ho an’i Jesosy, mba
ahazoan’ny asan’Andriamanitra eto an-tany ho vita ary andeha hody isika. Hirianao ve ny
hihevitra ny loha-laharana amin’ny fiainanao ary hanolo-tena ho mahatoky kokoa amin’ny
fijoroana ho vavolombelona ho an’i Jesosy? Avelanao ve ny Fanahy Masina hampiasa anao
amin’ny fomba rehetra haniriany anao hijoro vavolombelona ho azy? Ho apetrakao ve ny
programanao manokana ary atolotrao ny tenanao ho an’ny zavatra iray izay tena ilaina
amin’ny farany, hampody ny very ho eo amin’i Jesosy? Samihafa ny toe-javatra miseho eo
amin’ny fiainantsika. Samihafa ny andraikitra sy asantsika. Tsy afaka hanao zavatra mitovy
ny rehetra. Lazao fotsiny Andriamanitra hoe maniry hizara ny fitiavany amin’ny hafa, ary
hamela Azy hitarika anao ianao.
Fizarana 2: Mandinika ny Toro-marika araka an’Andriamanitra
Ireo Fitahiana Hafa Rehetra
Am-pisaintsainana lalina, vakio ity andalana manaraka ao amin’ny Testimonies to
Ministers, pejy 511, 512, ary 174-176.
Ny tsy fahazoana hiainantsika ankehitriny dia tokony ny fangatahan’ireo tsy mahazo
ny Fanahy Masina. Angataho ny fitahiany. Fotoana izao hirehetantsika bebe kokoa am-
bavaka. Napetraka amintsika ny asa mafy, kanefa mahafaly, asa maneho ny voninahitr’i
Kristy amin’ireo izay ao anatin’ny haizina. Nantsoina hanambara ny fahazavana manokana
amin’izao fotoana izao isika. Ho an’izany rehetra izany, ny fandrotsahana ny Fanahy Masina
no ilaina indrindra. Tokony hivavaka ho amin’izany isika. Manantena antsika hivavaka
Aminy ny Tompo. Tsy nametraka fepetra amin’izany asa izany isika.
Inona no azoko ambara amin’ireo rahalahiko amin’ny anaran’ny Tompo? Inona
amin’ny ampahany amin’ny ezaka vitantsika mifanaraka amin’ny fahazavan’ny Tompo no
mahafinaritra ny mizara azy? Tsy afaka hiantehitra amin’ny endrika na asa ivelany isika. Ny
ilaintsika dia ny asa manginan’ny Fanahy Masin’Andriamanitra. “Tsy amin-kery na am-
pahatanjahana, fa amin’ny Fanahiko hoy Jehovah Tompon’ny maro.” Mivavaha ka aza
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
99
mitsahatra, ary maharetra amin’ny asa mifanaraka amin’ny vavaka ataonao. Rehefa mivavaka
ianao, minoa, mahatokia an’Andriamanitra. Fotoanan’ny ranonorana farany izao, izay
hanomezan’Andriamanitra mivatravatra ny Fanahiny. Aoka hirehitra am-po amim-bavaka,
ary aharitra amin’ny Fanahy.
*****
Ny fitahiana nampanantenaina [ny Fanahy Masina], raha angatahina am-pinoana, dia
hitondra ny fitahiana hafa rehetra amin’ny fanofanana, ary omena mivantana ny
vahoakan’Andriamanitra izany. Amin’ny asa ratsin’ilay fahavalo, ny sain’ny
vahoakan’Andriamanitra dia toa tsy mahatakatra ireo teny fikasan’Andriamanitra. Mihevitra
izy ireo fa ny onjam-pahasoavana dia mirotsaka amin’ny fanahy mangetaheta ihany. Ny
vahoakan’Andriamanitra dia zatra mihevitra fa tsy maintsy mahatoky ny ezaka ataony izy, ka
ny fanampiana kely dia horaisina avy any an-danitra; ary ny vokatra dia manana fahazavana
kely izy ireo hampitaina amin’ny hafa izay maty ao amin’ny fahadisoana sy ny haizina.
Nionona tamin’ny fitahiana kely avy amin’Andriamanitra ny fiangonana nandritra ny fotoana
maro; tsy tsapany ny filana tokony hikatsahana ireo tombotsoa ambony ho azy ireo amin’ny
vidiny tsy hita fetra. Nalemy ny herin’izy ireo ara-panahy, ny fanandraman’izy ireo toetra
malemy sy kely, ka tsy nomena alàlana ho amin’ny asan’ny Tompo izay tokony ho nataony
izy ireo. Tsy afaka maneho ireo fahamarinana lehibe sy be voninahitra ao amin’ny
Tenin’Andriamanitra Masina izay handresy lahatra sy hanova fanahy amin’ny alalan’ny
asan’ny Fanahy Masina izy ireo. Ny herin’Andriamanitra dia miandry ny fangatahana sy
fandraisan’izy ireo. Ny vokatry ny fifaliana dia hojinjain’ireo izay namafy ireo voa masin’ny
fahamarinana. “Mandeha mitomany mitondra ny voa afafiny izy, Fa hiverina mitondra ny
amboarany amin'ny fihobiana kosa.”
Nandray hevitra avy amin’ny fihetsiky ny fiangonana izao tontolo izao, fa ny
vahoakan’Andriamanitra dia vahoaka tsy mifaly, tsy mahaliana ny fanompoana an’i Kristy,
ary amin’ny vidiny mafy no anomezana ny fitahiany ho an’ireo mpandray. Amin’ny
fifantohantsika amin’ny adintsika, ary mampitombo fahasarotana, dia maneho amin’ny fomba
diso an’Andriamanitra sy Jesosy Kristy izay nirahiny isika; satria natao tsy mahaliana ny
làlana mankany an-danitra, noho ny alahelom-panahy amin’ny mpino, ka betsaka ny miala
am-panenenana amin’ny fanompoana an’i Kristy. Kanefa, moa mpino ve ireo maneho an’i
Kristy? Tsia, satria ny mpino dia miantehitra amin’ny teny fikasan’Andriamanita, ary ny
Fanahy Masina no mpampahery sady mpananatra.
Tsy maintsy manorina ny fototra rehetra ny Kristianina raha maniry hanorina toetra
mijoro, mahitsy, raha mandajalanja tsara ny fanandramana ara-pivavahana. Amin’izay fomba
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
100
izay no ahavonona ny olona hiatrika ny fangatahana am-pahamarinana araka izay voalaza ao
amin’ny baiboly; ary fenoina sy hampaherezina amin’ny Fanahy Masin’Andriamanitra izy.
Ny Kristianina marina dia manambatra ny fahalemem-panahy sy ny fiorenana mafy amin’ny
tanjona, miaraka amin’ny fatokiana an’Andriamanitra tsy miovaova; dia tsy ho mpamitaka na
oviana na oviana ireo fahamarinana masina izy. Izay hampianarin’ny Fanahy Masina dia
manana fahaizana am-po sy ara-tsaina, miaraka amin’ny herin’ny sitrapo sy tanjona izay tsy
azo resena.
Fizarana 3: Mampiatra ny Toro-marika araka an’Andriamanitra
Manaiky ny Teny Fikasana
Moa fotoana ho avy notendren’Andriamanitra ny fandraisana ny ranonorana farany?
Moa ve ny firotsahan’ny Fanahy Masina amin’ny andro farany dia zavatra izay andrasantsika
fatratra mandra-pahatongan’ny fotoana tena hiaviany marina? Moa ve Andriamanitra miandry
handrotsaka ny Fanahy Masina amin’ny fotoana manokana amin’ny ho avy rehefa miseho
ireo toe-javatra ara-paminaniana?
Amin’ny lesona anio, dia hianarantsika ny toro-marika araka an’Andriamanitra
momba ny fotoanan’ny firotsahan’ny Fanahy Masina!
1. Inona ireo toro-marika manokana momba ny ranonorana farany omen’ny mpaminany
Zakaria sy Hosea antsika ao amin’ny Testamenta Taloha? (Jereo Zakaria 10:1; Hosea
10:12 ________________________________________________________________
_____________________________________________________________________
2. Rahoviana no fotoanan’ny ranonorana farany? (Jereo Testimonies to Ministers, pejy
511, 512).
A. “Ny tsy fahazoana hiainantsika ankehitriny dia tokony ny fangatahan’ireo __________
_____________________________________________________________________
Angataho ny Fitahiany. Fotoana izao ahatonga antsika hirehitra amin’ny fotoam-
pivavahana.”
B. “Ny _________________________________________________________________
_____________________________________________________________________
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
101
Betsaka amin’ireo mambry ny fiangonana no mijery daty ho avy ho an’ny firotsahan’ny
Fanahy Masina, kanefa Andriamanitra dia nampanantena fa azontsika atao ny manana izany
ankehitriny.
3. Inona no hevitra omena matetika izay mahakasika ny Fanahy Masina? (Jereo
Testimonies to Ministers, pejy 174).
“Ireo fitahiana sy tombotsoa hafa napetraka teo anoloan’ny vahoaka mandrapahatongan’ny
faniriana namoha ny fiangonana ho amin’ny fahazoana ny fitahiana
nampanantenain’Andriamanitra; kanefa
___________________________________________________________________________
___________________________________________________________________________
___________________________________________________________________________
___________________________________________________________________________
4. Inona no vokatry ny tsy fahampian’ny herin’ny fahafenoan’ny Fanahy Masina? Vakio
Testimonies to Ministers, pejy 174 sy 175, amin’ilay lohateny hoe “All Other
Blessings.” Avy eo, ataovy lisitra ireo fitahiana omen’ny Tompo antsika malalaka
amin’ny ranonorana farany.
A. “Ny vahoakan’Andriamanitra dia toa tsy afaka
_____________________________________________________________________
_____________________________________________________________________
_____________________________________________________________________
____________________________________________________________________.”
B. "Ny vahoakan’Andriamanitra dia nanazatra ny tenany
_____________________________________________________________________
_____________________________________________________________________
____________________________________________________________________.”
C. “Ny herin’izy ireo ara-panahy dia
_____________________________________________________________________
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
102
_____________________________________________________________________
____________________________________________________________________.”
D. “Tsy nahazo alàlana
_____________________________________________________________________
_____________________________________________________________________
_____________________________________________________________ izy ireo.”
E. “Tsy afaka ____________________________________________________________
_____________________________________________________________________
_____________________________________________________________ izy ireo.”
Jereo ireo tsy fahampiana rehetra natao lisitra teo ambony ireo, ary avadiho ho lafin-tsara
izany. Inona no entin’ny firotsahan’ny Fanahy Masina amin’ny fiainantsika izay mifanohitra
amin’ireo lisitra “A ka hatramin’ny E” eo ambony ireo?
A. D.
B. E.
C.
5. Inona no teny fikasana nomen’ny Tompo antsika momba ny firotsahan’ny Fanahy
Masina? (Jereo Testimonies to Ministers, pejy 175).
“Ny herin’Andriamanitra ________________________________________________
__________________________________________________________________________.”
Ny lanitra manontolo dia maniry handrotsaka ny ranonorana fatratra. Raha eo am-
pikatsahana an’Andriamanitra amin’ny fanetren-tena, fibebahana amin’ny fahotana, fanetrena
ny fo, fampileferana ny fiainantsika amin’ireo tanjony, dia hiasa amin-kery lehibe Izy. Hanao
zavatra izay tsy ho azontsika atao ho an’ny tenantsika na oviana na oviana mihintsy Izy. Ho
hitan’izao tontolo izao ny fitiavany. Hanova fiainana maro ny fahasoavany. Marobe ireo
hifaly amin’ny fahamarinany. Ny asan’Andriamanitra eto an-tany dia hifarana tsy ho ela, ary
ho avy Jesosy.
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
103
Mikatsaka Fanandramana Lalina kokoa
Maniry fanandramana lalina kokoa miaraka amin’Andriamanitra ve ianao? Tsapanao
ve ny filana ny asa maherin’ny Fanahy Masina amin’ny fiainanao? Tianao ve ny handray
anjara akaiky, miaraka amin’i Kristy amin’ny asa ho an’ny tantaran’ity tany ity ve ianao?
Maniry handray ny firotsahan’ny Fanahy Masina amin’ny ranonorana farany, hoenti-
mamarana ny asan’Andriamanitra eto an-tany ve ianao?
Amin’ireo toko folo amin’ity boky ity, dia nianarantsika ny fomba fiomanana
handraisana ny Fanahy Masina amin’ny herin’ny ranonorana farany. Niditra ao am-potsika ny
Fanahy Masina. Tsapantsika ny fanatrehany. Nitarika antsika ho amin’ny fileferana
lalindalina kokoa Izy. Ireo fahazarana sy fomba fanao tsy fantatsika dia niseho ankehitriny.
Ireo fahotana nankamamiana ela dia nohadinoina. Nandohalika teo anatrehan’ny Tompontsika
isika, nibaboka sy nibebaka tamin’ireo fotoana nanaovantsika izay mampalahelo Azy.
Amin’ny firaisana dia nikatsaka Azy tamim-bavaka miaraka amin’ireo Kristianina namana
isika, ary dia tonga eo amin’ny fotoanan’ny fanelanelanana ara-panahy navaozina isika.
Mety anontany tena ianao: “Ahoana no ahazoako maharitra amin’ity fanandramana
vaovao ity? Moa misy zavatra manokana azoko atao hihazonana ny fifandraisana ho lalina
kokoa miaraka amin’Andriamanitra? Mahafinaritra fa misy. Tamin’ireo andro teo aloha, dia
afaka manao zavatra manokana telo ianao hihazonanao ny fitomboana ao amin’i Jesosy.
1. Manokàna fotoana manokana isan’andro ho an’ny vavaka. Raha eo am-pandohalehina
manoloana ny fiandrianany ianao, dia hanome anao ny Fanahiny isan’andro Jesosy.
Angataho ny teny fikasany ao amin’ny Lioka 11:13: “Koa raha ianareo, na dia ratsy
aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any
an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an'izay mangataka aminy?” Misafidiana
mpiara-mivavaka na midira amin’ny vondron’ny vavaka, dia manokàna fotoana
hihaonana isan-kerinandro. Izany fotoam-bavaka izany dia ho lasa vatofantsiky ny
finoanao.
2. Manapaha hevitra handany fotoana isan’andro amin’ny fianarana ny Teniny. Mameno
ny fiainantsika ny Fanahy Masina rehefa mameno ny saintsika amin’ny
Tenin’Andriamanitra isika. Miova isika, ary havaozina amin’ny Tenin’Andriamanitra.
Ny apostoly Petera, izay nanao ny fanandraman’ny fiovam-piainana tamin’ny
Pentekosta dia mampahatsiahy ny Kristianina namana fa nomena “teny fikasana sady
soa no lehibe indrindra, mba ho tonga mpiray amin'ny fomban'Andriamanitra
amin'izany ianareo, rehefa afa-nandositra ny fahalotoana izay eo amin'izao tontolo
IOUM : 10 Andro Ao Amin’ny Efitrano Ambony
104
izao noho ny filàna” (2 Petera 1:4). Mety haniry hifantoka amin’ny fiainan’i Jesosy sy
handinika ny fiainany araka izay voasoratra ao amin’ny Filazantsara ianao. Ho hitanao
ny tenanao mandray ny fitarihan’ny fitiavany sy mitondra anao ho amin’ny dian’ny
finoana Kristianina. Ny fianarana ny baiboly ho an’ny tena manokana no fototry ny
fitomboana ara-panahy marina rehetra.
3. Ataovy ho isan’ny fiainanao isan’andro ny fijoroana ho vavolombelona. Jereo ireo
tombotsoa ahazoanao mizara ny finoanao isan’andro. Ny Kristianina mijoro ho
vavolombelona dia Kristianina mitombo. Aoka handray anjara amin’ny sehatr’asa ao
amin’ny fiangonanao eo an-toerana. Satria “mahasambatra kokoa ny manome noho ny
mandray” (Asa 20:35), rehefa mizara ny fitiavan’i Jesosy amin’ny hafa isika, dia isika
no voatahy indrindra. Ny fijoroana vavolombelona dia mamono ny fitiavan-tena ho
amin’ny fahafatesana. Mitarika antsika ho amin’ny fifandraisana lalina kokoa miaraka
amin’Andriamanitra izany. Mitarika antsika handohalika hikatsaka ny heriny izany,
ary mitarika antsika hiverina amin’ny baiboly ka ahita ny valin’ireo fanontaniana hafa
mety mipetraka. Tamin’ny Pentekosta, ny tanjon’ny teny fikasan’i Jesosy dia ny
hanome hery ireo mpianatra hitondra ny filazantsara tamin’izao tontolo izao tamin’ny
taon-jato voalohany. Ny tanjon’ny firotsahan’ny Fanahy amin’ny taranaka farany dia
hampahery ny vahoakany hamarana ny asa. Hamarana ny asany izany. Hanome hery
ny fiangonany hoenti-mijoro vavolombelona izany.
Tianao ve ny ho isan’ny zavatra goavana miaraka amin’Andriamanitra? Tianao ve ny
hiditra ho isan’ny mambry ny fiangonana izay mikatsaka Azy amin’ny vavaka, mametraka ho
loha-laharana ny fianarana ny Teniny, ary mijoro vavolombelona ho an’ny Fanjakany?
Raha izany no fanirianao, miondreha izao dieny izao ary raiso izany fanapahan-kevitra
izany. Eo am-panaovana izany ianao, ny Tompotsika dia hamaly avy any an-danitra ary
hanova ny fiainanao amin’ny fomba mahery vaika. Mivavaka aho mba ho feno ny Fanahy
Masina ny fiainanao, ary ho irak’Andriamanitra ho amin’ny fifohazana amin’ny
fianakavianao ianao, ho an’ny fiangonanao, ary ho an’ny fiaraha-monina.