5
Mahavavy-Kinkony : VOI FIVEMITA : Voly felika, safidy mitodika amin'ny tsena p 2 Nosivolo : Trondro zanatany 19 karazana ho voakajy, faripiainana mivoatra p 3 Mangoky-Ihotry : Mirindra sy natao haharitra ireo tetikasa NODE p 4 Tandavanala Ankeniheny Zahamena : Tetikasa madinika mampivoatra ny maro p 5 Matoan-dahatsoratra Sary : Ramanahadray Soloson Efa somary taratara ihany vao nivoaka ity laharana ity satria marobe ireo laharam- pahamehana tsy maintsy natrehin’ireo mpandray anjara nandritra izay fito volana izay. Tamin’ny volana aprily tokoa mantsy no nivoaka ny laharana farany. Nanenjika ireo lahasa tsy tontosa nandritra ny fotoam- pahavaratra ny ankamaroany tamintsika. Nilofo fatratra ny rehetra, indrindra fa ireo namarana ny tetikasa NODE novatsiana vola tamin’ny CEPF. Teo koa ny fiatrehana ny fanarenana ny fahasimbana nateraky ny rivodoza Giovanna. Nanano sarotra ny fanatanterahana ny asa teny ifotony, tato ho ato, nohon’ny tsy fandriampahalemana. Nitaraina tokoa ireo namana any amin’ny Tandavanala Ambositra- Vondrozo (COFAV), nohon'ny asan-jiolahy mitam-piadiana mandroba ireo teknisianina mamita iraka. Lasibatra tamin’izany ny mpiandraikitra tao amin’ny HAONASOA sy NY TANINTSIKA Fianarantsoa. Raha niezaka nandray ny andraikiny nanenjika ireo jirika ireo anefa ny mponina ao Andrambovato dia tifitra no nasetry azy. Ny tena mampalahelo dia nisy ny naratra ary namoy ny ainy mihitsy aza. Mihanaka izaitsizy ity trangan-javatra ity ankehitriny ka tonga any amin’ireo toerana nandry fahalemana fahiny. Manao antso avo ry zareo any amin’ny tandavanala COFAV mba hanairana ny rehetra. Tsy voaaro intsony ireo izay miasa eny ambanivohitra ary very fanahy mbola velona ireo vondron’olona ifotony mpiara-miasa, mikajy ny harena voajanahary. Na izany aza anefa dia tsy miraviravy Tandavanala Ambositra-Vondrozo : Ravin-dahasa : hanala ny fahantrana p 6 Zanaka tetikasa nahazoana tombony be ! p 6-7 Menabe-Antimena : FITARIHANTSOA II sy Fanamby : Ho fanatsarana ny fizahantany p 7 Vaovaon'ny fandaharan'asa NODE : Iza moa i Arijaona ? p 8 Famatsiam-bola Helmsley Charitable Trust p 8 “Tsirin-kevitra niraisan’ny AFD , ny Conservation International, ny FEM , ny Governemanta Japoney, ny Mac Arthur Foundation ary ny Banky Iraisam-pirenena no nipoiran’ny tahirim-bola CEPF . Tanjona fototra ny fampandraisana anjara ny Fiaraha-monim-pirenena amin’ny fikajiana ny aina voajanahary.” 1 Agence française de développement - 2 Fonds pour l’Environnement Mondial - 3 Fonds de partenariat pour les écosystèmes critiques Lohateny Soa an'Ala Laharana 03 • Desambra 2012 Takela-pifandraisan’ny Fandaharanasa NODE " Tombontsoa ifampizaràna " tanana ireo ONG ireo. Manohy ny asany hatrany ireo teknisianina ary mendrika tolorana fisaorana manokana amin’ny herim-po ananany. Ho hitantsika amin’ity laharana ity ny santionam- bokatra amin’ny fiaraha-miasan’ireo VOI tantsaha sy ireo teknisianina any amin’ireo faritra misy ny tetikasa NODE. Santionany ihany, maneho fa mody ventiny ny rano nantsakaina rehefa misy ny risi-po sy ny finiavana ary ny faharesen-dahatra. Ny harena voajanahary voaaro ; ny velontena, mihatsara. Ampio ary ireo mpitantsoroka mba hahafahan’izy ireo manatanteraka ampahatoniana sy ampilaminana ny fikajiana sy fanatsarana ny velontenan’ireo vondron’olona ifotony ireo. Samia manaitra ireo tompon’andraikitra isan-tokony, hanafoanana izao fanetribe izao. Ramanahadray Soloson

Soa an'Ala 1 - Soa an'Ala - Laharana 03 - Desambra 2012 Mahavavy-Kinkony : VOI FIVEMITA : Voly felika, safidy mitodika amin'ny tsena p 2 Nosivolo : Trondro zanatany 19 karazana ho

  • Upload
    vanngoc

  • View
    234

  • Download
    1

Embed Size (px)

Citation preview

Page 1: Soa an'Ala 1 - Soa an'Ala - Laharana 03 - Desambra 2012 Mahavavy-Kinkony : VOI FIVEMITA : Voly felika, safidy mitodika amin'ny tsena p 2 Nosivolo : Trondro zanatany 19 karazana ho

pejy 1 - Soa an'Ala - Laharana 03 - Desambra 2012

Mahavavy-Kinkony :

VOI FIVEMITA : Voly felika, safidy mitodika amin'ny tsena p 2

Nosivolo :

Trondro zanatany 19 karazana ho voakajy, faripiainana mivoatra p 3

Mangoky-Ihotry :

Mirindra sy natao haharitra ireo tetikasa NODE p 4

Tandavanala

Ankeniheny

Zahamena :

Tetikasa madinika mampivoatra ny maro p 5

Matoan-dahatsoratra

Sary : Ramanahadray Soloson

Efa somary taratara ihany vao nivoaka ity laharana ity satria marobe ireo l a h a r a m -pahamehana tsy maintsy natrehin’ireo

mpandray anjara nandritra izay fito volana izay. Tamin’ny volana aprily tokoa mantsy no nivoaka ny laharana farany. Nanenjika ireo lahasa tsy tontosa nandritra ny fotoam-pahavaratra ny ankamaroany tamintsika. Nilofo fatratra ny rehetra, indrindra fa ireo namarana ny tetikasa NODE novatsiana vola tamin’ny CEPF. Teo koa ny fiatrehana ny fanarenana ny fahasimbana nateraky ny rivodoza Giovanna.

Nanano sarotra ny fanatanterahana ny asa teny ifotony, tato ho ato, nohon’ny tsy fandriampahalemana. Nitaraina tokoa ireo namana any amin’ny Tandavanala Ambositra-Vondrozo (COFAV), nohon'ny asan-jiolahy mitam-piadiana mandroba ireo teknisianina mamita iraka. Lasibatra tamin’izany ny mpiandraikitra tao amin’ny HAONASOA sy NY TANINTSIKA Fianarantsoa. Raha niezaka nandray ny andraikiny nanenjika ireo jirika ireo anefa ny mponina ao Andrambovato dia tifitra no nasetry azy. Ny tena mampalahelo dia nisy ny naratra ary namoy ny ainy mihitsy aza. Mihanaka izaitsizy ity trangan-javatra ity ankehitriny ka tonga any amin’ireo toerana nandry fahalemana fahiny. Manao antso avo ry zareo any amin’ny tandavanala COFAV mba hanairana ny rehetra. Tsy voaaro intsony ireo izay miasa eny ambanivohitra ary very fanahy mbola velona ireo vondron’olona ifotony mpiara-miasa, mikajy ny harena voajanahary.

Na izany aza anefa dia tsy miraviravy

Tandavanala

Ambositra-Vondrozo :

Ravin-dahasa : hanala ny fahantrana

p 6

Zanaka tetikasa nahazoana tombony be ! p 6-7

Menabe-Antimena :

FITARIHANTSOA II sy Fanamby : Ho fanatsarana ny fizahantany p 7

Vaovaon'ny

fandaharan'asa

NODE :

Iza moa i Arijaona ? p 8

Famatsiam-bola Helmsley Charitable Trust p 8

“Tsirin-kevitra niraisan’ny AFD , ny Conservation International, ny FEM , ny Governemanta Japoney, ny Mac Arthur Foundation ary ny Banky Iraisam-pirenena no nipoiran’ny tahirim-bola CEPF . Tanjona fototra ny fampandraisana anjara ny Fiaraha-monim-pirenena amin’ny fikajiana ny aina voajanahary.”

1 Agence française de développement - 2 Fonds pour l’Environnement Mondial - 3 Fonds de partenariat pour les écosystèmes critiques

Lohateny

Soa an'Ala Laharana 03 • Desambra 2012Takela-pifandraisan’ny Fandaharanasa NODE

" Tombontsoa ifampizaràna "

tanana ireo ONG ireo. Manohy ny asany hatrany ireo teknisianina ary mendrika tolorana fisaorana manokana amin’ny herim-po ananany. Ho hitantsika amin’ity laharana ity ny santionam-bokatra amin’ny fiaraha-miasan’ireo VOI tantsaha sy ireo teknisianina any amin’ireo faritra misy ny tetikasa NODE. Santionany ihany, maneho fa mody ventiny ny rano nantsakaina rehefa misy ny risi-po sy ny finiavana ary ny faharesen-dahatra. Ny harena voajanahary voaaro ; ny velontena, mihatsara. Ampio ary ireo mpitantsoroka mba hahafahan’izy ireo manatanteraka ampahatoniana sy ampilaminana ny fikajiana sy fanatsarana ny velontenan’ireo vondron’olona ifotony ireo. Samia manaitra ireo tompon’andraikitra isan-tokony, hanafoanana izao fanetribe izao.

Ramanahadray Soloson

Page 2: Soa an'Ala 1 - Soa an'Ala - Laharana 03 - Desambra 2012 Mahavavy-Kinkony : VOI FIVEMITA : Voly felika, safidy mitodika amin'ny tsena p 2 Nosivolo : Trondro zanatany 19 karazana ho

pejy 2 - Soa an'Ala - Laharana 03 - Desambra 2012 pejy 3 - Soa an'Ala - Laharana 03 - Desambra 2012

Fari-drano arovan’ny fokonolona ny renirano Nosivolo sy ny zanaranony

Fisokajiana avy amin'ny sampana mikajy ireo faritra mando ao amin'ny fikambanana iraisam-pirenena no mametraka ny faritra iray ho "Site RAMSAR".

“Site RAMSAR” fahafito eto Madagasikara ny renirano Nosivolo, notokanana ny 17 septambra 2010. Anton’izany, ny fananany trondro zanatany 19 karazana, ny fisian’ireo sisan’ala sy ala matevina (Tandavanala Fandriana Marolambo) mandrafitra ny sahandriakany ary ireo harena voajanahary ao anatiny.

Fahavitrihana ho amin’ ny fiarovana

Anisan’ny mampiavaka ny “Site RAMSAR” Nosivolo ny fahavitrihan’ny vahoaka sy ny mpitondra any an-toerana eo amin’ny fitantanana ireo fari-drano arovana. Maro ireo asa efa nataon’ny fokonolona, toy ny fanajariana ny sisin-drano, ny fanidiana ny rano niaraha-nametra ho dimy volana, sns.

Nanampy ny mponina havitrika amin’ny fiarovana ny fisian’ny fandaharanasa NODE aty an-toerana, nanomboka ny taona 2007. Porofon’izany, raha 26 ireo tanàna nandray anjara amin’ny fametrahana an-tsitrapo ny fari-drano arovana tamin’ izany taona izany dia tafakatra ho 121 izany, dimy taona aty aoriana. (2007-2012).

Safidy miantehitra amin’ny lalam-barotra

Singanintsika manokana eto ny zana-tetikasa notanterahin’ny fikambanana

NOSIVOLOMAHAVAVY-KINKONY

VOI FIVEMITA :

Voly felika, safidy

mitodika amin'ny tsena

••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••

Zava-kendren’ny tetikasa NODE ny fanohanana sy ny fampiroboroboana rafipihariana maharitra ho an’ny mponina ato anatin’ny Faritra Arovana Vaovao Mahavavy-Kinkony. Anisan’ny tetikasa madinika nahazo famatsiana tamin’ity tetikasa NODE andiany faharoa ity ny fambolena felika (culture maraîchère) aty Mitsinjo, Faritra Boeny.

Nahazo tantsoroka tamin’izany ireo fikambanam-behivavy miisa 19 marikitra ireo harena voajanahary (ala maiky, ala honko, matsabory) iharan’ny tsindry isan-karazany. Fepetra lany eran’ ireo mponina mahazo tombontsoa sy ny Asity Madagascar, mpanao tantsoroka, ny tsy maintsy hanatanterahana lahasa fiarovana sy fanarenana ny harena voajanahary sy ny tontolo iainana ho setrin’ny fanatsarana ny velontena.

Fanatsarana ny faripiainana ho fiarovana ireo trondro zanatany

Nisafidy ny fiompiana kisoa gasy ireo mivelona amin’ny fanjonoana mba ho fiarovana ireo trondro zanatany ahiana ho lany taranaka. Asa fihariana efa fanao izany sady ahitana lalam-barotra eo an-toerana. Fanatsarana izany fiompiana izany izao no ezahina. Tokantrano 10 eo amin’ny fokontany Tanambao Marolambo no nisafidy io tetikasa io. Novatsiana zana-kisoa 10 (2 lahy sy 8 vavy) ry zareo ka samy nitarimy iray isan-tokantrano. Nomena fiofanana momba ny fikarakarana ny kisoa (fahasalamana, sakafo) ireo mpahazo tombontsoa.

Mahavelombolo ireo vokatra azoMahavelombolo tokoa raha ny vokatra

azo tao anatin’ ny 10 volana. Vola 80.000 Ar no azon-dRazafindravahiny Leonor Jean, nivarotra zana-kisoa roa tamin’ireo fito nateraky ny renin-kisoany.

Lelavola 120.000 Ar kosa no azon’i Makay Jean Paul tamin’ ny fivarotana zanany telo tamin’ireo fito nateraky ny renin-kisoany.

Valo kosa no nateraky ny renin-kisoan’Ingahy Tsingirika Jean Chrisostome. Nahazo 620.000Ar izy rehefa nivarotra efatra tamin’ireo.

Nividianan’izy ireo karazan-kisoa hafa hanatsarana taranaka ny eo an-tanany ny ampahany tamin’ireo vola ireo. Nisy ihany koa ny nividianana hazo fanaovan-trano sy nampiasaina tamin’ny fambolena.

Manara-maso ara-pahasalamana (fanomezana vy, aodiviky, vitaminina, vaksiny) ireo fiompiana ireo ny teknisianina aty an-toerana. Nampifanarahana amin’ny zava-misy aty an-toerana (mangahazo) ihany koa ny sakafon’ny kisoa. Nahazoan’ireo mpahazo tombontsoa fanofanana moa ny fambolena mangahazo sy katsaka mba hamokatra bebe kokoa, hananan'izy ireo fiompiana maharitra.

Mety tsara ny fiompiana kisoa gasy noho izy mahatohitra aretina kokoa, tsy manahirana ny sakafony ary mahazaka toetrandro. Na izany aza, maniry hanana karazan-kisoa hafa ny mpikambana.

Rasoaniriana Marguerite MarieAndriamahefasoa Bellarmin

FIVEMITA (Fikambanan’ny Vehivavy Miray Tanambao) ao amin’ny Fokontany Marofandroboka, kaominina Mitsinjo. Raha tonga ao an-tsaina ny voly petsay, ramirebaka, felibe, felimafana, “tissam”, voatabia, sns, eo amin’ny fambolena felika, dia voly tongolobe (gros oignons) izao no nosafidin’izy ireo. Mety tsara amin’ny tany mantsy izany na mbola tsy fahita firy aty amin’ny distrikan’i Mitsinjo aza. “Tsy maintsy jerena ny lalam-barotra”, hoy Ramatoa Ravoahanginirina, filohan’ny fikambanana. “Efa maro ireo mponina manodidina no manatanteraka ireo voly felika mahazatra ireo, ka ahiana hifanitsaka ny tsena satria miara-miakatra avokoa ny vokatra. Noho izany, tsy maintsy jerena sy dinihina tsara izay voly mety hatao sy hahazoana tombony”, hoy ihany izy. Nahatratra hatrany amin’ny roa hekitara mahery any ho any ny velaran-tany voavolin’izy ireo tamin’ity taom-pamokarana voalohany ity. “Tsara ny mahavita velaran-tany lehibe raha tiana ho tsapa mivaingana ny fiantraikan’ny fidiram-bola isan-tokantrano eo amin’ny mpikambana”, hoy ihany Ramatoa filoha. Zava-dehibe tokoa ny fahaizana mifehy ny tsena sy ny fidirana amin’ny fambolena be velarana amin’ny asa mampidi-bola toy itony.

Tsy ambanin-javatra ny fihariana miaro ny tontolo iainana

Ho tambin’izany tantsoroka izany kosa dia manentana ny mpiray tanàna sy ny manodidina ireo mpikambana ao amin’ny FIVEMITA. Ampirisihin’izy ireo ny fanafoanana ny fampiasana ny harato kely maso ao amin’ny matsabory Kinkony, manandrify ny fokontany Marofandroboka.

Rakotonarivo Andrianarijaona

Sary : Ramanahadray Soloson

Sary : Zafindranahy Noelson

Trondro zanatany

19 karazana ho voakajy,

faripiainana mivoatra

Sary : Ramanahadray Soloson

Sary : Ramanahadray Soloson

Sary : Randany Célestin Bienvenu

Page 3: Soa an'Ala 1 - Soa an'Ala - Laharana 03 - Desambra 2012 Mahavavy-Kinkony : VOI FIVEMITA : Voly felika, safidy mitodika amin'ny tsena p 2 Nosivolo : Trondro zanatany 19 karazana ho

pejy 4 - Soa an'Ala - Laharana 03 - Desambra 2012 pejy 5 - Soa an'Ala - Laharana 03 - Desambra 2012

MANGOKY - IHOTRY

Miorina ao atsimo andrefan’i Madagasikara ny faritra arovana vaovao any Mangoky Ihotry, distrikan’i Manja, Faritra Menabe, sy distrikan’i Morombe, Faritra Atsimo Andrefana.

Ny kaominina Andranopasy any avaratra, ny Lakandranon’i Mozambika avy ao andrefana, ny kaominina Ankatsakantsa atsimo avy ao atsimo ary ny kaominina Beharona avy ao atsinanana no mamaritra azy.

Hita ao ny ala maiky, ny ala honko, ny ranovory, ny honatsy ary ny renirano. Manan-danja ity faritra ity, satria ahitana biby sy zavamaniry miavaka. Toerana fandalovan’ireo vorona mpifindra monina ihany koa ary iankinan’ny fiainan’ny mponina maro. Jono no foto-piveloman’ny olona monina manamorona ny ranomasina sy ny farihy. Mpamboly sy mpiompy kosa ny ankoatra izay.

Tetikasa madinika

mampivoatra ny maro

Vondron’olona ifotony (VOI) miisa 28 ao amin’ny faritra atsimon’ ny tandavanala Ankeniheny-Zahamena no nahazo tombontsoa tamin’ny famatsiam-bola NODE, nanomboka ny taona 2009 hatramin’ny 2012. Maro tamin’ireo tetikasa madinika notohanana no nahitam-bokatsoa, satria nampivoatra ny faripiainana isan-tokantrano. Singanina amin’izany ireto manaraka ireto.

Fiompiana akoho gasy nahitam-pahombiazana

Mpikambana ao amin’ny VOI MMA Andasibe Andriamatoa Randrianasolo Mad. Anisan’ny nahazoany famatsiam-bola tamin’ny tetikasa NODE ny fiompiana akoho gasy. Niantomboka tamin’ny akoho 10 izy ary nitombo hatrany izany ka nahatratra 120 taty

aoriana.

Ankoatra ireo natao sakafo dia nivarotra akoho 45 tamin’ireo izy. Manodidina ny 7 000 Ar no namarotany ny akoho iray. Nahavitany dobo-trondro mirefy 4 ara misy zanatrondro tilapia 3000 isa ao Manambanana, kaominina Andasibe ny vola azony tamin’izany.

Afaka mamatsy zana-trondro amin’ny manodidina Andriamatoa Randrianasolo Mad, amin’izao fotoana izao.

Tafakatra 240 ireo akoho 10 azon-dRamatoa Zavaline Olga tany ampiandohana. Mpikambana ao amin’ny VOI MIRINDRA Amparafara, kaominina Ampasimpotsy Gara, io ramatoa io. Nahalafo akoho 100 mahery izy ka nahafahany nividy renin-kisoa telo ny vola azony. Efa bevohoka ny roa amin’ireo renin-kisoa ireo. Mikasa ny hivarotra izany indray Rtoa Zavaline Olga aty aoriana. Nampiakatra ny fari-piainany tokoa ny tetikasa NODE.

Nahita tombontsoa tamin’ny fiompiana akoho gasy ihany koa Andriamatoa Ramanantsoa Robert, avy amin’ny VOI TELOMIRA Ambohibolakely,

kaominina Morarano Gara. Vokatry ny tohana ara-bola nomen’ny Conservation International tamin’ny alàlan’ny NODE io. Nivarotra izy rehefa nitombo isa ny akoho nompiany. Nahafahany nividy gisa miisa fito indray ny vola azony tamin'izany. Miroborobo tokoa izao io fiompiana gisa io ka mampiakatra ny faripiainany.

Izay mahakolokolo no manana ny soa

Vondron’olona ifotony iray mitantana ala honko sy fikambanana valo mpiara-miombon’antoka amin’ny fikajiana ny faritra arovana vaovao no nahazo tombontsoa tamin’ny famatsiam-bola NODE. Tanjon’izy ireo ny fampihenana ny fitrandrahana harena voajanahary. Nomena tantsoroka ireo asa fiarovana sy fanaraha-maso ny harena voajanahary. Toa izany koa ny fampihodinana tetikasa madinika ho fampitomboana ny vola miditra isan-tokantrano.

Sambany ireto nahazo tohana ireto no mba nahazo famatsiam-bola toy itony kanefa dia tena nifototra nampihodina ireo tetikasa fiarovana sy fampandrosoana ireo. Tsara kolokolo ny asa natao ka nitera-boka-tsoa na ho

an’ny fiarovana ny harena voajanahary na ho an’ny fampitomboana ny vola miditra isam-baravarana. Mihamatotra ny asa fanaraha-maso ary ny fiarovana ny harena voajanahary.

••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••

Nozaraina ny mamy

Efa nizara ny mamy ny mpikambana.

• Anjatony taonina ny sira vokatra tao Andranopasy. Nahavidy milina fisintoman-drano telo hafa ny mpikambana

• Nozaraina ny vola azo tamin’ny fivarotana bengy ka nahafahana nividy bengy vaovao.

• Nahavita nividy fitaovam-panjonoana manara-penitra vaovao hanampiana ny eo am-pelatanana ny fikambanana.

• Nahazoana fitaovam-pambolena ny vola vokatry ny fampiasana ny fitaovam-panjonoana manara-penitra.

• Mampidi-bola ihany koa ny lakana môtera.

Fambolena sakarivo nahavitana trano misy rihana

Namboly sakamalao teo amin’ny tany mirefy 1ha Andriamatoa Botokambana sy Ramatoa Honorine (VOI RANOALA Ambatoharanana, kaominina Beforona). Nahafahan’izy ireo nividy reninkisoa

iray izany, izay niteraka 10 taty aoriana. Namidy avokoa ireo zana-kisoa rehefa lehibe. Ny fivarotana vokatra sakamalao kosa tamin’ ny taom-pambolena faharoa dia nahavitan’izy ireo trano misy rihana ary mitafo fanitso.

Fambolem-bary manaraka teknika SRA, misongadina ny vokany

Nahazo fahombiazana tamin’ny fampiharana ny voly vary manara-penitra SRA Ramatoa Razafitsihoatra Naltine (VOI MMA Ambohidray, kaominina Morarano Gara). Nahafahany niatrika ny fiainana andavanandro ny vokatra azony. Nahazoany vola nanokafana fivarotana enta-madinika ny fandafosany ny ampahany tamin’izany vokatra izany. Mamatsy ny mponina ao Ambohidray amin’ny kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro io tsenakely io.

Razafindrabe Vonimbohangy

Sary : Razafindrabe Vonimbohangy

Tsy aty laroty raha hanondraka ganagana

Tsy misy afaka milaza, hatreto, fa rano natondraka ganagana ny famatsiam-bola nomen’ny Conservation International Madagascar an' ireo fikambanana mpiara-miombon’antoka amin’ny Asity Madagascar, ao amin’ny faritra arovana vaovaon’i Mangoky- Ihotry.

Nisy akony lehibe taty amin’ny faritra ireny famatsiam-bola ireny. Lasa mandray ny andraikiny amin’ny fiarovana ny harena voajanahary ny mponina. "Rahoviana ireo mpamatsy vola no mba hanome tantsoroka fanampiny indray" hoy ny sentosenton’izy ireo.

Rabotoson Ange Berthin

Sary

: R

aboto

son A

nge

Ber

thin

Mirindra sy natao haharitra

ireo tetikasa NODE

Sary : Rabotoson Ange Berthin

Sary : Rabotoson Ange Berthin

Sary : Razafindrabe Vonimbohangy

Sary : Razafindrabe Vonimbohangy

TANDAVANALA ANKENIHENY-ZAHAMENA

Page 4: Soa an'Ala 1 - Soa an'Ala - Laharana 03 - Desambra 2012 Mahavavy-Kinkony : VOI FIVEMITA : Voly felika, safidy mitodika amin'ny tsena p 2 Nosivolo : Trondro zanatany 19 karazana ho

pejy 6 - Soa an'Ala - Laharana 03 - Desambra 2012 pejy 7 - Soa an'Ala - Laharana 03 - Desambra 2012

MENABE ANTIMENATANDAVANALA AMBOSITRA VONDROZO

FITARIHANTSOA II sy Fanamby :

Ho fanatsarana ny fizahantany

Zanaka tetikasa naha- zoana tombony be

taninjanakazo mihintsy izy ireo mba hamokarana zanakazo ho volena isam-paritra. Heverina fa hitohy mandavantaona izany sehatrasa izany. Lohahevitra entina hanantotosana izany fanentanana izany ny hoe: “Ala voakajy sy voaaro, toetrandro milamina, vokatra azo antoka”. Noraisina ho teny filamatry ny FCOBA ato anatin’ny distrika Ikongo koa io lohahevitra io.

Misy ny ohatra alain-tahaka

Maro amin’ireo tokantrano no efa nahazo tombontsoa tamin’ny tetikasa madinika novatsian’ny NODE. Anisan’izany ny tokatranon' Andriamatoa Georget, mpikambana ao amin’ny VOI MAMIA, monina ao Mamolifoly, kaominina Antodinga, distrika Ikongo. Nampiditra vary 825 kg tao amin’ny sompitra iombonana izy. Nahazoany vola 330 000 Ar ny vidin’izany. Nividianany voan-kafe 400 kapoaka sy tsaramaso 300 kapoaka ho fanampin’izay anjara azony tamin’ny tetikasa NODE ny vola azony. "Nahazoanay Tanimbary 6 ara ny tombony tamin’ny vokatra tsaramaso sy ny vidin’ny kafe", hoy izy. Hafaliana aoka izany ny azy sy ny vadiny ary ireo zanany efatra mahita izany tombontsoa izany ! “Hotohizana amin’ny taona ho avy e !” hoy izy ireo nampanantena.

Izay ary no azo zakaina ka dia “Loniky samby ho tsara aby koa” !

Mahatamana Zafimanahaka (Dadah)

Nanomboka ny taona 2007 no efa niasan’ny Fikambanana FITARIHANTSOA II ho fikajiana ireo reniala na Baobab. Misy sokajiny telo ity karazan-kazo ity ao anatin’ny Faritra arovana “Allée des Baobabs”. Amin’ny maha mpitantana voatondro ny faritra arovana ny FANAMBY dia iarahany mijery akaiky amin’ ny FITARIHANTSOA II ny hevitra rehetra hahatomombana ny asa fikajiana sy ny fampiroboroboana ny fizahantany eo an-toerana

Nikaroka hevitra ny roa tonta amin’ny fanatsaràna sy fanavaozana ireo fotodrafitrasa efa misy, nohon’ny fahitana ny fitomboan’ireo mpizahatany nitsidika io faritra arovana io. Natao izany mba hanomezana fahafaham-po ireo mpizahatany sy hisintonana izay manam-pikasana hitsidika izany toerana malaza izany

Tamin’izany indrindra no nahazoan’ny fikambanana FITARIHANTSOA II fanampiana ara-bola avy amin’ny tetikasa NODE. Famatsiam-bola avy amin’ny CEPF, izay mandalo amin’ny Conservation International ary tantanan’ny FANAMBY. Izany famatsiam-bola izany no nahafahana nampiditra jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro sy nahazoana vata

fampangatsiahana ary fanatsarana ny toeram-pivarotana kojakoja mahasarika ireo mpizahatany.

Mbola nisy ihany koa ny fanavaozana ireo takelaby fampahafantarana ny faritra hotsidihina. Manampy izany, ny fampiofanana momba ny fitantanana ireo solontenan’ny fikambanana misahana ny fampandehanan-draharaha eo an-toerana. Tafiditra ao anaty vina “Fizahantany ho an’ny fampandrosona maharitra” ireo tetikasa ireo.

Ramananarivo Andrianantenaina Fabien

Asa velontena maharitra no sady fiarovana ny vakoana (Pandanus) tsy ho lany tamingana no nosafidin’ireto vehivavy miisa 20 ao amin’ny fikambanana MIARAMITA, kaominina Sendrisoa, fokontany Namoly, tandavanala Ambositra-Vondrozo.

Tratra ny tanjona !

Mihodina isan’andro ny orinasa madinika mpanao taozavatra natsangan’izy ireo. Mahatratra 30.000 Ar isan-kerinandro ny vola miditra isan-tokantrano, rehefa tsara ny tsena ! Izany no vokatry ny tetikasa NODE, taona voalohany !

Tombony ho azy ireo ny fisian’ny toeram-pizahantany ao Andringitra. Mitombo ny filan’ ny mpizahatany manjifa ny vokatra rary izay ataon’izy ireo. Mampihatra avy hatrany ny fiofanana azony ireo vehivavy. Tsy mijanona fotsiny amin’ny fandrariana nahazatra izy ireo fa manova endrika ny rary tsotra ho lasa rary maoderina manaraka ny kalitaon’ny tsena.

Mamokatra akora !Miroborobo tokoa, etsy andaniny, ny famokaran’ny mpikambana isan-tokantrano ny akora fandrary antsoina hoe “forona” (Scirpus sp) sy “vinda”(Cyperus sp). Maro ireo mpanao asa tanana mividy izany. Sady mahazo akora hoentina miasa ny fikambanana no manana ny hamidy ihany koa !

Tsy miraviravy tanana ny fikambanana, mitady fiaraha-miasa hatrany amin’ny any ivelany. Anisan’ireny ny fanamafisana ny fahaiza-manao ara-teknika momba ny rary manara-penitra, ny fanatsarana ny kalitaon’ny vokatra alefa mifaninana any amin’ny tsena ary ny fitadiavana lalam-barotra .

Satria maharaka ny kalitao takian’ny tsena ny vokatr’izy ireo dia maro ireo mpiara-miombon’antoka miantso azy ireo hamonjy tsenabe momba ny vokatra. Azo antoka ny fitomboan’ny fidiram-bolan’ity fikambanam-behivavy ity. Ho lasa tena velom-po maharitra izany ka hisy fiantraikany avy hatrany amin’ny fampihenana ny tsindry mahazo ny vakoana any anaty ala.

Ranorovelo Ida Soamandimby

Sary : Ranorovelo Ida Soamandimby

Sary : Mahatamana Zafimanahaka (Dadah)

Sary : Ramanahadray Soloson

“Finaritre e e! De nareo lahaly, akory aby elabe tsy nifankahitana ?”

Somary nanova fomba fiasa ny ONG Ny Tanintsika, tamin’ity taona 2012 ity, ho fanatanterahana ny tetikasa NODE. Nomena laka ireo Vondron’olona Ifotony (VOI) eo amin’ny fanatanterahana ny tetikasa NODE iarahana amin’ny “Conservation International”.

Nanomboka ny fiandohan’ny taona 2012 dia nahatratra 43 ny isan’ireo VOI nahazo ny famatsiam-bola NODE. Federasiona ny roa amin’ireo. Efa mampiasa ny ampaham-bola faharoa izy ireo, amin’izao fotoana izao. Mahatratra 1.845 ireo tokantrano nahazo tombontsoa avy amin’ireo tetikasa madinika notanterahin’ireo VOI ireo.

Isan-karazany ireo zana-tetikasa

Zana-tetikasa madinika roa isaky ny VOI no nekena ho vatsiana vola. Anisan'izany ny fambolena tsaramaso miampy ravintsara na koa ny fitantanana sompitra iombonana miampy voly voanjolava. Ankoatra ireo, fahita ihany koa ny tetikasa madinika hafa toy ny fiompiana akoho gasy, kisoa, tantely miaraka amin’ny voly hafa toy ny tsaramaso, voanjolava, sns…

Niompana tamin'ny fizarana ambiokan-janakazo ny fanentanana nataon'ny federasiona teo aloha. Ankehitriny kosa, dia nanao

sary : Ranorovelo Ida Soamandimby

Sary : Ramananarivo Andrianantenaina Fabien

Sary : Ranorovelo Ida Soamandimby

Ravin-dahasa : hanala ny fahantrana

Sary : Mahatamana Zafimanahaka (Dadah)Sary : Mahatamana Zafimanahaka (Dadah)

Sary : Ramananarivo Andrianantenaina Fabien

Sary : Ramananarivo Andrianantenaina Fabien

••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••

••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••••

Page 5: Soa an'Ala 1 - Soa an'Ala - Laharana 03 - Desambra 2012 Mahavavy-Kinkony : VOI FIVEMITA : Voly felika, safidy mitodika amin'ny tsena p 2 Nosivolo : Trondro zanatany 19 karazana ho

pejy 8 - Soa an'Ala - Laharana 03 - Desambra 2012

VAOVAON'NY FANDAHARAN'ASA NODE

Mpiara-misalahy Tonian'ny fanoratanaRAMANAHADRAY Soloson

Komitin'ny fanoratanaRAJAOBELINA Léon

RAJAOFARA Haingo Nirina

RAOELIARIVELO Hajasoa

RAMESON Hariniaina

ANDRIAMARO Luciano

ZATOVONIRINA N'aina Zo

Nanatontosa

+261 34 11 436 79

Soa an'AlaLaharana 03 • Desambra 2012

Gazety navoakan'nyConservation International

Lot II 27 D - Villa HajanirinaRue Vittori François - Ankorahotra

Antananarivo 101 - BP 5178Madagascar

Tél. 22 609 79 - 22 612 72e-mail : [email protected]

www.conservation.org/madagascar

Izy no Rakotonarivo Andrianarijaona, teknisianin’ny Asity Madagascar, miandraikitra ny Sehatrasa Fampandrosoana ao amin’ny Faritra Arovana Vaovaon’i Mahavavy Kinkony.

Taona iray izao no nandraisan’i Arijaona io andraikitra io teo anivon’ny Faritra Arovana Vaovaon’i Mahavavy Kinkony (FAV CMK). Niandraiketany manokana ny fampandehanana sy

Nisantatra dingana vaovao ny tetikasa NODE any amin’ny tapany atsimon’ny tandavanala Ankeniheny-Zahamena tamin’iny volana septambra teo iny. Ny tahiry fampandrosoan’ny fianakaviana Helmsley no namatsy vola izany tetikasa

fanarahamaso ireo tetikasa madinika «NODE» izay niarahana tamin’ireo fikambanana miisa 30 any an-toerana.

Anisan’ny nampiavaka azy ny fahaizany nifandray sy nifandresy lahatra tamin’ireo olona ka nahafahana nahazo vokatra mahafapo tanteraka. Raha 23 mantsy ny isan’ny tetikasa noheverina ho tanterahina tany amboalohany dia 66 ankehitriny no tafapetraka soa amantsara. Tsy mba ny ora fiasàna no zavadehibe amin’i Arijaona fa ny vokatra azo izay mamaly ny tanjona napetraka. Mbola tsy miposaka akory ny masoandro no efa miainga hamonjy ireo fikambanana tantsaha izy ary mazàna maizina vao tafasaraka amin’izy ireo rehefa misy ny olana. Noho izay fomba fiasa izay dia ambony dia ambony ny ta-hapahavitrian’ireo olona manatanteraka lahasa ary azo tsapain-tànana ny vokatra azo :

1) nisy fihatsaràna ny fidirambolan’ireo mpikambana mavitrika ;

2) nandray andraikitra amin’ny fiarovana sy fanarenana ireo harena voajanahary izy ireo

3) niha-mafy kokoa ny fifandraisana teo anivon’ny samy mpikambana sady nihamatotra ny fiarahamiasa amin’ny Asity Madagascar.

Nanampy be dia be tamin’izay fahombiazany izay koa anefa ny fahatokisana napetraky mpiaramiasa taminy ka nahafahany naneho ankahalalahana ny fahaizamanaony. Velompankasitrahana manokana ny ekipan’ny FAV CMK ny foibe Asity Madagascar any Antananarivo

Nisongadina ny zavabita na dia roalahy fotsiny aza izy ireo (raha telo no tokony ho izy) noho ny fahaizana miaramiasa. Tena mpirahalahy mianala tokoa raha i Arijaona sy Clarice lehibeny.

Rabarisoa Rivo

izany. Anisan’ny tanjona ny hamporisika ny vondron’olona rehetra mba hikajy ireo harena voajanahary sady hanatsara ny velontenany. Kendrena amin’izany ny fampiroboroboana ireo tsirin-kevitra hialàna amin’ny mahazatra kanefa

miteraka fidiram-bola maharitra sady mikajy ny tontolo iainana.

Roa taona no faharetan’ny tetikasa ary vinavinaina ho VOI miisa15 no hahazo tombontsoa. Notanterahina tao Moramanga àry ny 9 sy 10 oktobra 2012 teo ny atrikasa nanombohana io tetikasa io. Nanatrika izany ireo VOI, ireo federasiona MIARADIA sy VAHATRINIALA ary ireo solontenan’ny ANAE sy CI. Nandray anjara ihany koa ireo solon-tenam-panjakana avy amin’ireo sam-pandraharaha teknika (fambolena, fiompiana, ala sy ny tontolo iainana) sy ny kaominina. Nofidiana tamin’izany ireo VOI hahazo famatsiambola. Nankatoavina fa VOI miisa 8 avy amin’ny federasiona VAHATRINIALA ary 7 kosa avy amin’ny MIARADIA no hahazo tantsoroka. Fepetra manokana ahazoana izao famatsiambola izao ny fahavitrihan’ny VOI manao asa fikajiana na ny ezaka ataony hampihenana ny tsindry amin’ireo harena voajanahary.

Hampiavaka manokana izao an-dian-tetikasa NODE izao ny ezaka atao hampahatezàna ny tetikasa. Kasaina ho indroa miantoana ny tantsoroka homena ny VOI tsirairay. Tetikasa madinika mamokatra mitodika amin’ny tsena ary vita fanadihadiana lalam-barotra mialoha no ho tohanana.

Ramanahadray Soloson

Famatsiam-bola Helmsley Charitable Trust

IZA MOA I Arijaona ?

• • • • • • • • • • • • • • • • • • • • • • • • • • • • • • • • • • • • • • • • • • • • • • • • • • • • • • • • • •

Sary : Razafindrabe Vonimbohangy

Sary : Ramanahadray Soloson