34
ANDRIAMANITRA 1 ANDRIAMANITRA O! RAINAY Dô dia Ab David RATOVO/ Landy RABENIRAINY 1-Andriamanitra ô ! Rainay Ianao no isaoranay Nomba anay hatramin’izay Sy namonjy, sy namonjy ny ainay Ny fiderana no entinay Maneho ny hafalianay. 2-Fa ny tena fifaliana Dia ny hazo fijaliana Nihantonan’Ilay Tompo Zay nanaiky ho Mpanompo Io no hatsangana ho faneva Sy hotorina hatraiza hatraiza 3-Raiso re ny vavakay Izay asandratray anio Mba henoy sy valio Hamafiso ny finoana Ato anaty tsy hirona Ary tsy hangaihay 2 MIDERA AZY Dôdia C Landy RABENIRAINY /Alice Hawthrone Miderà an’i Jehovah Miantsoa ny Anarany Ambarao ny firenena Ny asan’ny Tànany Ataovy ho rehareha Ny Anarany masina Aoka hifaly ny fonao Izay mitady Azy Katsaho mandrakariva Jehovah (Mitadiava, mitadiava an’i Jehovah mandrakariva) Dia ianareo olona voafidiny (Dia ianareo, dia ianareo olona voafidiny) 3 ANDRIAMANITRA MPAMORONA, MPIAZONA Dô dia C Landy RABENIRAINY Fa Izy no nihavian’izao Zavatra rehetra izao Ary Izy no mihazona azy Sady Izy koa no antony Izy anie no homem- boninahitra Izy anie no homem- boninahitra Izy anie no homem- boninahitra Mandrakizay, Amen ! 4 FA MANDRAKIZAY NY FAMINDRA-MPONY Dô dia E Landy RABENIRAINY Miderà fa tsara Jehovah Miderà ny Avo Indrindra Miderà ny Tompo’ny tompo Mpanao fahagagana lehibe - 1 -

ANDRIAMANITRA - WordPress.com · Web view45 ENDREY TSARA SY MAHAFINARITRA Dô dia C Pst Samuel RASETAHARISON Endrey tsara sy mahafinaritra Raha ny mpirahalahy Raha ny mpirahalahy

  • Upload
    others

  • View
    2

  • Download
    1

Embed Size (px)

Citation preview

ANDRIAMANITRA

ANDRIAMANITRA

1

ANDRIAMANITRA O! RAINAY

Dô dia Ab

David RATOVO/ Landy RABENIRAINY

1-Andriamanitra ô ! Rainay

Ianao no isaoranay

Nomba anay hatramin’izay

Sy namonjy, sy namonjy ny ainay

Ny fiderana no entinay

Maneho ny hafalianay.

2-Fa ny tena fifaliana

Dia ny hazo fijaliana

Nihantonan’Ilay Tompo

Zay nanaiky ho Mpanompo

Io no hatsangana ho faneva

Sy hotorina hatraiza hatraiza

3-Raiso re ny vavakay

Izay asandratray anio

Mba henoy sy valio

Hamafiso ny finoana

Ato anaty tsy hirona

Ary tsy hangaihay

2

MIDERA AZY

Dôdia C

Landy RABENIRAINY /Alice Hawthrone

Miderà an’i Jehovah

Miantsoa ny Anarany

Ambarao ny firenena

Ny asan’ny Tànany

Ataovy ho rehareha

Ny Anarany masina

Aoka hifaly ny fonao

Izay mitady Azy

Katsaho mandrakariva Jehovah

(Mitadiava, mitadiava an’i Jehovah mandrakariva)

Dia ianareo olona voafidiny

(Dia ianareo, dia ianareo olona voafidiny)

3

ANDRIAMANITRA MPAMORONA, MPIAZONA

Dô dia C

Landy RABENIRAINY

Fa Izy no nihavian’izao

Zavatra rehetra izao

Ary Izy no mihazona azy

Sady Izy koa no antony

Izy anie no homem-boninahitra

Izy anie no homem-boninahitra

Izy anie no homem-boninahitra

Mandrakizay, Amen !

4

FA MANDRAKIZAY NY FAMINDRA-MPONY

Dô dia E

Landy RABENIRAINY

Miderà fa tsara Jehovah

Miderà ny Avo Indrindra

Miderà ny Tompo’ny tompo

Mpanao fahagagana lehibe

Izy no nanao ny lanitra

Tamim-pahendrena lalina

Ka ny tany novelarina

Teo ambony ranomasina

5

HIRA FISAORANA

Dô dia C

Faly Henintsoa RAFIDIMANANA

Hira fisaorana no atao

Ho Anao Andriamanitra ô !

Atokanay ’zao fotoana izao

Ho Anao Andriamanitra ô !

Aoka àry ny herinao no hanjaka

Amin’izay rehetra atao

Mba hamantaran’ny olona

Fa masina tokoa Ianao

Mba hamantaran’ny olona

Fa masina tokoa Ianao

Asandrato ny fiderana

Hoby sy ny fankalazana

Fa Jehovah Andriamanitsika

No Tompon’ny hery sy fahefana

6

ISAORANAY IANAO

Dô dia G

Tatavao MANOELA

1-Isaoranay Ianao Jehovah Ray

Fa narovanao ’zahay

Ka navelanao hankalaza

Izao fotoana anio izao

2-Ny fitahianao tsy tapaka

No nahatraranay izao

Ka hotsaroanay lalandava

Ny Anara-masinao

3-Ataonay fantatry ny olona

Ny Anara-masinao

Ny Asam-pamonjen-dehibe

Ho an’izao tontolo izao

7

ASANDRATO NY HOBY

Dô dia C

Landy RABENIRAINY

1-Asandrato ny hoby

Ry zanak’olombelona ô !

Ka derao Andriamanitra

Ilay fitiavana

O! hirao ny asa lehibe

‘Zay nataony ho anao

Dia ny vonjy natolony

Hanafahana anao

Fiv.- Ianao, ry Jesosy ô !

No efa nidina tety

Sy nanaiky hatolotra

Mba hitondra ny otanay

Tena ankasitrahanay

Ry Mpamonjy tia ô

Ka ny saotra atolotray

Raiso ho Anao Jesô.

2-Velona ato am-poko re

Ilay Teny masinao

Teny soa sady feno

Fanomezan-toky hoe :

“Raha mino ianareo

Dia avela avokoa

Ny heloka mitambesatra

Sy mandoto ny aty fo.”

8

MITEHAFA TANANA

Dô dia Eb

Ndriana RAMAMONJY

Mitehafa tànana, ry firenen-drehetra

Mihobia, mihobia ho an’Andriamanitra

Mitehafa tànana, ry firenen-drehetra

Mihobia, mihobia ho an’Andriamanitra

Fa Jehovah no Avo Indrindra

Ka tokony hatahorana

Mitehafa tànana, ry firenen-drehetra

Mihobia, mihobia ho an’Andriamanitra

9

NOHO ITY MARAINA

Dô dia C

Ndriana RAMAMONJY

1-Noho ity maraina vao

Noho ny masoandro ‘zay naposakao

Misaotra Anao ’zahay (2)

Noho ny sakafo izay nomenao

Misaotra Anao, ry Ray

2-Amin’izao atoandro izao

Noho ny masoandro izay nohazoninao

Misaotra Anao ’zahay (2)

Noho ny sakafo izay nomenao

Misaotra Anao ry Ray

3-Amin’izao hariva izao

Noho ny masoandro ’zay nalentikao

Misaotra Anao ’zahay (2)

Noho ny sakafo izay nomenao

Misaotra Anao, ry Ray

10

MISAOTRA ANAO ’ZAHAY, RY RAY

Dô dia C

Ndriana RAMAMONJY

1-Misaotra Anao ’zahay, ry Ray

Noho ny fitiavanao

Ny haizi-kitroka nisy ahy

Indro, fa nidiranao

He hazavana lehibe no

Indro fa naposakao

Ka ravoravo ery ny fo

Izay midera Anao

Fiv. - Inona àry no havaliko Anao

Noho ireo soa efa narotsakao

He hazavana lehibe no

Indro, fa naposakao

Ka ravoravo ery ny fo

Izay midera Anao

2-Na dia tsy mendrika, ry Ray

’Reto te hidera Anao

Dia notoloranao tokoa

Ny fanavotan-dehibe

Na dia mahantra aza re dia

Novidin’ny Zanakao

Tamin’ny Rany izay madio

Mba ho isan’ny Anao

3-He menatra tokoa ry Ray

Hifanatrika Aminao

Kanefa noho ny Zanakao

Indro fa manatona aho

Manery ahy ’zany foko

Resin’ny fitiavanao

’Lay fo maniry mafy Anao

Ka indro, anjakao

11

RAY MAHERY

Dô dia C

Landy RABENIRAINY

1-Lehibe sy mahagaga

Ny fitiavanao

Ny fonay ravoravo

Te hidera anao, ry Ray

Izao fotoana anio izao

Hatreo ka mba tahio

Ny vavaka ataonay,

Ry Tompo, mba valio

2-Maro be ny olona

’Zay lavitra Anao

Voafatotr’i Satana ka

Sondrian-tory ao

’Reo namanay ’zay ory koa

Todiho sy jereo

Mitenena Ianao mba

Ho afaka ireo

3-Tompo ô ! ombay ny

Fanahinao ’zahay

Hahatontosa ireo adidy

Eo antsorokay

He fantatrao fa mbola

Votsa sy malemy koa

Ny Sandrinao iankinanay

Herinay tokoa.

12

IZY NO MITROTRO ANTSIKA

Do dia G

Faly Henintsoa RAFIDIMANANA

Tsy misy masina tahaka Anao

Ry Andriamanitra Ray ô!

Tompon'ny fahalalàna

Sy henika ny voninahitra Ianao

Lay mahavelona sy mahafaty

Lay mampisandratra sy manpietry

Anao ny hery sy ny fahalehibiazana

Ry firenena ô! izay mbola lavitra

Ny fahamarinana

Meteza ka mihainoa ny Teniny

F'Izy hitarika anao

Izy no nanao antsika

Izy no mitrotro antsika

Izy no mitondra antsika

Mpanafaka amin'ny fahoriana

Ny zavaboary noforoniny

Dia miova sy miserana

F'Izy dia efa nitoetra hatrizay

Sy maharitra mandrakizay

13

NY FIVORIANAY

Dô dia Eb

Ndriana RAMAMONJY

1-Tompo ô ! jereo ’ty fivoriana

’Zay irinay ho tantananao

Ny sainay anie tsy ho variana

Masonay hibanjina Anao

Amorony fo madio koa izahay

Ary havaozy ny fanahinay

Mba hiorim-paka ao Aminao izahay

’Zay maniry ny hidera Anao

2-Tsy mba sitrakao ny fivoriana

Haroharoam-paharatsiana

Nefa raha miaiky ny otanay ’zahay

Dia mahatoky sy marina Ianao

Ka mamela ny fahotanay Ianao

Manadio anay ihany koa

Ho afaka amin’ny tsy fahamarinana

Tompo ô ! miandrandra Anao ’zahay

14

FITIA FATRATRA

Dô dia A

Laza RAHARISON

1-Notiavin'Andriamanitra fatratra

Izao tontolo izao

Ka nomeny ny Zanany Lahitokana

Jesosy Kristy

Fanomezana ‘Zay tsara indrindra

No atolotra antsika anio

Fanomezana tsy manampaharoa Jesô

Mahasambatra

2-Lay Jesô 'Zay tonga ho antsika

Dia nanetry tena

Nefa Zanaky ny Avo Tompo Lehibe

Sy Mpanavotra

Koa izay rehetra nandray Azy

Dia tonga zanaky ny Ray

Manana fiainana tena maharitra

Mandrakizay

15

TAMIN’NY VOALOHANY NY TENY

Dô dia Bb

Landy RABENIRAINY

1-Tamin’ny voalohany ny teny

Dia tao amin’Andriamanitra

Nahariana izao tontolo izao

Ary koa nisiam-piainana

Fiv.Io Ilay Mazava ho antsika

Tolotry ny Ray ambony ao

Ka ny haizina dia tsy ho hita

Jesosy no mamirapiratra ao

2-N’iza n’iza no nandray Azy

Dia nomeny ny fahefana

Mba ho tonga zanak’Andriamanitra

Izay mino ny Anarany

16

JEHOVAH NISI

Dô dia G

Mahefanirina RAKOTOMALALA

Ianao Ilay efa Izy hatrizay

Ianao Ilay tsy miova

Ianao Ilay Mpamorona

Ianao no Fanevako

Ianao Ilay efa nanomana

Ny fanavotana ho ahy

Ianao ilay efa nifidy ahy

Jehovah Nisi (2)

Jehovah Fanevako

17

NY VONINAHITRA NO MENDRIKA ANAO

Dô dia E

Landy RABENIRAINY

1-Raha itodihana ireo andro lasa

Dia hita taratra ao

Ny fitantananao

Ny Tananao mahery

Miaro lalandava

Ka ny voninahitra

No mendrika Anao

Fiv. Ny dera sy laza

Ary fihobiana

Ny haja avo indrindra

Atolotra Anao

Ry Tompo ô! ry Tompo ô!

Ny mpanomponao

Miara-manandra-peo

Hankalaza anao

2-Ny Famindramponao

Tsy tratry ny saina

Ary ny fitiavanao

Tsy hay tantaraina

Manerana ny tany

Ny Hasoavanao

Ka ny Voninahitra

No mendrika Anao.

18

NAFOINAO TOKOA

Dôd ia G-Ab

Nilsen RHEVIHARINALA

Nafoinao tokoa

Ry Tompo ny ainao soa

Hamonjena anay

Tao Kalvary

Ny ratra, kapoka

‘Zay niharetanao

No nahadio ny

Fahotanay

Mafy re ny jaly

Niaretanao

Tsy nolavinao ny eso

Noho ny aminay

19

TSY MIOVA AHO

Dô dia Bb

Andrianarisandy RALAMBOMANANA

Mandra-pahantitrareo, tsy miova Aho,

Izaho no hisahirana mitondra anareo,

’Zaho no nanao, ’Zaho no hitrotro,

Eny, Izaho no hitondra sy hanafaka.

Mandra-pahantitrareo, tsy miova Aho,

Izaho no hisahirana mitondra anareo.

20

MIHAINOA RY NOSY

Dô dia E

Landy RABENIRAINY

Ry Nosy ô! mihainoa,

Atongilano ny sofinareo,

Ry lavitra fihaviana,

O! Mihainoa ianareo.

Izaho no hiady ho anao,

Ho Famonjena ho anao,

Koa matokia ianao,

Ekeo ho fanavotana anao.

Moa tsy fiadanana sy fahasambarana,

No katsahinao ety, hilofosanao ery,

Andrandrao ny masonao,

Ka henoy izao teny izao :

“Raiso Jeso ho anao”.

21

TOMPO LEHIBE

Dô dia C

Faly Henintsoa RAFIDIMANANA

1-Lehibe indrindra, mahery indrindra,

Ianao ry Tompo ô!

Mitafy voninahitra sy famirapiratana,

Nihavian’izao rehetra izao

Sady mihazona azy,

Ny vokatry ny Asanao no manome aina.

Miboiboika ny loharano eny an-tsaha,

Ny tsio-drivotra mitsoka malefaka,

Ianao no nampisy izany.

Fiv. Deraina anie ny Tomponay,

Tsy misy ny toa Azy,

F’Izy nanao asa lehibe, mifalia re!

2-Mihelina ny andro iainantsika,

Toy ny aloka,

Toa zava-poana ny tenantsika

Mbola ho vovoka,

Tsy misy olona mahalala

Ny andro hahafatesany,

Na manana hery hahatana ny ainy.

Nefa Jehovah, miaro antsika tsy ho faty.

Be fitiavana, manan-kery mahagaga,

Izy no fanantenana.

Fiv…

22

MASINA, MASINA, MASINA

Dôdia C

Harinambinina ANDRIANAJA

Masina, masina, masina Jehovah Tompon’ny maro,

Henika ny Voninahiny ny tany rehetra.

Aoka hidera Azy ny lanitra sy tany,

Ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy.

23

AMPY HO ANAY NY FAHASOAVANAO

Dô dia D

Ndriana RAMAMONJY

1- Andriamanitra Fitiavana Ianao.

Ka mihevitra ny momba anay ety.

Raha mifoha maraina izahay dia

Tsy afaka am-bavanay ny hoe :

“Ampy ho anay ny fahasoavanao”.

Fiv. Raha maraina mibaliaka

Ny andronay ety,

Ianao no masoandro

Niaviany,

Raha ny alin’ny ririnina

No handalo ety,

Ianao no kintana hitantana ny dia,

Fa ny vavaka hatao

’Zay mipololotra am-ponay ao hoe :

“Izahay anie hatoky Anao.”

2- Andriamanitra Fitiavana Ianao

Ka mitantana ny dianay ety

Raha handimby ny andro ny alina

Mbola tokana ny deranay hoe :

“Ampy ho anay ny fahasoavanao”.

24

AHITRA IHANY

Dô dia E

Andry RASOLOFO

1- Ahitra ihany ny nofo rehetra

Mihamaina sy mihalo

Ny androny efa voafetra

Voaisan'ny Ray Tsitoha

Iza no sahy ny hifandahatra

Amin' Ilay Mpahary

He ny tany sy koa ny lanitra

Henika ny Voninahiny

Fiv .: Tsinontsinona izahay

Eo anatrehanao ry Ray

Ianao tsy miova

Fa maharitra

Ianao no Andriamanitra

2-Inona moa ny olombelona

No dia tsarovanao

Efa nanda ilay fiainana

Izay nomaninao

Vonin-javatra ireo hatsarany

Ka zava-poana avokoa

Mandalo toy ny aloka ihany

Mora levona tokoa

25

SALAMO 16

Dô dia G

Jean Patrick RAKOTO RAMIARANTSOA

1-Arovy aho Andriamanitra ô!

Fa mialoka Aminao

Tsisy soa ananako oharina Aminao

‘Zany no hifaliako, ravo ny fanahy

Ianao no anjarako Andriamanitro

2-Ho be ny fahorian’izay

Tsy miaiky anao ho Tompo

Fa eo ankavananao tsisy ahiahy

Eo anatrehako mandrakariva

Ianao Jehovah Andriamanitro

Ianao no Tompo Andriamanitro

ANDRIAMANITRA MPAMORONA

26

DERAINA MANDRAKIZAY

Dô dia D

Andrianarisandy RALAMBOMANANA

1-Ny rivotra mitsoka,

Ny ala maitso mavana,

Ny vorona misioka,

Ny rano mikopaka,

Ny hazo izay mamony, ny ando latsaka,

Ireny rehetra ireny

Dia mitory avokoa, ry Tompo

Fa lehibe Ianao, fa lehibe Ianao,

Ka midera Anao ny asan-tananao

Mandrakizay.

2-Feno fahendrena

Ny nanaovanao ireo,

Asan-tananao ‘reo

Ry Andriamanitra doria.

Kanto, tsara indrindra ankalazana Anao,

Ireny rehetra ireny

Ry Andriamanitra mahery

Fa lehibe Ianao, fa lehibe Ianao,

Ka midera Anao ny asan-tananao mandrakizay.

JESOSY

27

IZY NO LEHIBE

Dô dia C

Landy RABENIRAINY

Izy no lehibe

Ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra,

Ary Jehovah Andriamanitra Ray,

Hanome Azy

Ny seza fiandrianan’i Davida rainy.

Hanjaka amin’ny

Taranak’i Jakoba mandrakizay Izy,

Ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana.

28

JESO TOMPO AMBOARY

Dô dia Eb

Tsy fantatra

1-Jesô Tompo amboary

’Reto voninkazonao

Hitomboanay hatrany

Noho ny hasoavanao

Voninkazo vao maniry

Ao an-tanimbolinao

Hasoavy tsy hariry

Mba ho voninahitrao

2-Toera-mendrika sy tsara

Tony fiangonanao

Ka indreo voakarakara

Izahay mpianatrao

Ianao no mpiandry Tsara

No mikolokolo ao

Samy henika anjara

’Zay rehetra tonga ao

3-Ny sekoly alahady

Io no zaridainanay

Ka misantatra sahady

Ho finaritra izahay

Izahay no voninkazo

’Zay hisahirananao

Manantena tsy handazo

Noho ny fanamboaranao

29

JESOSY NO TENA VATO FEHIZORO

Dô dia D

Ndriana RAMAMONJY

1-Rendrarendra ve sa fifalian’ny maso koa?

Sa endrika ho levona na felana halazo koa?

No hanorenako izany tena fiainako,

Ianao Jesosy irery no tena Vato Fehizoro.

Fiv. Ka na orana hifafy,

Na ny rivotra koa hifofo,

Tsy mba hanan-tahotra aho,

Tsy hangovitra (satria)

Vato mafy no tena manda-piainako,

Ianao Jesosy irery no tena Vato Fehizoro.

2-Eo Aminao no tena irafetako,

Hitombo tsara

Ho tempoly masina ao Aminao,

Mba ho fonenanao sy Ilay Fanahy Masinao,

Ianao Jesosy irery no tena Vato Fehizoro.

30

ARY NY TENY

Dô dia A

Landy RABENIRAINY

Ary ny Teny, ary ny Teny, ary ny Teny

Dia tonga nofo

Ary ny Teny dia tonga nofo

Ka nonina tamintsika.

Hitanay ny Voninahiny,

Miendrika ny Lahitokana,

Sady feno fahasoavana sy fahamarinana.

Ary ny Teny, ary ny Teny, ary ny Teny

Dia tonga nofo

Ary ny Teny dia tonga nofo

Io ’Lay Mesia Andriamanitra.

JESOSY MPAMONJY

31

INONA RE NO MAHAVONJY

Dô dia G

Binjamin RABENJA RAMIARISON /Robert. Lowry

1-Inona re no mahavonjy ?

Ny Ran’i Jeso Kristy.

Ary ny nanavotan’ahy ?

Ny Ran’i Jeso Kristy.

Fiv. He! sarobidy tokoa,

Manome fo vaovao;

He! tena mahasoa,

Jesosy ô! ny Ranao.

2-Inona no hanamasina ahy ?

Ny Ran’i Jeso Kristy.

Ny hamelana heloka ahy ?

Ny Ran’i Jeso Kristy.

3-Inona no miaro ahy ?

Ny Ran’i Jeso Kristy.

Ary ny mahamarina ahy ?

Ny Ran’i Jeso Kristy.

32

HO AVY JESO

Dô dia G

Samuel RASETAHARISON

1-Raha ho avy eny an-drahona eny Jeso,

Moa vonona hitsena Azy ianao ve ?

Ho avy tampoka tsy hampandre Izy izay,

Toy ny mpangalatra ny fihavian’indray.

Fiv. Ho avy Jeso, miambena ianao,

Tsy mba somonga fa tena ho avy tokoa,

Fifaliana e! tsy hay tanisaina,

No ho an’ireo olom-boavonjy.

2-Fanasana izay fanaperana tokoa,

No indro, efa novononin’i Jeso,

’Reo nasaina namaly ny antso tam-po,

No hiara-mihinana amin’Ilay Tsitoha.

33

JESO NO TSY MIOVA

Dô dia Eb

Ndriana RAMAMONJY

1-Jeso no tsy miova,

Na omaly na anio,

Eny, ho mandrakizay (’Lay)

Vatolampy tsy mikoro.

Vato fanorena-mafy,

Azo itokiana tokoa,

Raha hanorenana,

Ny fiainana (mahasambatra),

Mandrakizay.

2-’Zaho izay novonjeny,

Mety hangovitra ihany,

Eo ambony vatolampy (fa)

Izy tsy miova akory.

Jeso ô! ampianaro,

Aho ho tahaka Anao izao,

Ka ny fiainako,

Jeso Tompo ô ! (Mba ho entiko)

Hiderana Anao.

34

HO AN’I JESOSY KRISTY

Dô dia C

Ndriana RAMAMONJY

Ho an’i Jesosy Kristy,

Izay tia antsika,

Ka namaha antsika,

Ho afaka tamin’ny fahotantsika,

Tamin’ny Rany.

Ho Azy anie

Ny Voninahitra sy ny fanjakana

Mandrakizay amena !

35

TSY HO ZAKA

Dô dia F

RAVELOMAHARAVO /David RATOVO, Alain RALAMBONDRAINY

1-Raha olon’irery

No anjakan’ny ota

Dia tsy ho zaka mihitsy

Ny eto an-tany eto

Tsy ho zaka, tsy ho zaka

Ny eto an-tany eto (bis)

2-Fa Jesosy Mpamonjy

No efa nijaly ho anao

Dia tsy ho very mihitsy

’Zay mino Azy izao

Tsy ho very, tsy hovery

’Zay miho Azy izao (bis)

3-Atolory ny fiainao

Ho an’i Jeso irery

Dia tsy ho resy mihitsy

Fa Izy homba anao

Tsy ho resy, tsy ho resy

Fa Izy homba anao (bis)

36

FAHATSIAROVANA

Dô dia F

Groupe Mobile

1-Mivory eto ny mpanomponao

Hankatoa ny Didy ’zay napetrakao

2-Izao no ataoko hahatsiarovana

‘Zay nataon’ny Tompo nanavotana ahy

3-Ity no mofo toy ny tenany

Efa noratraina ho ahy izay nania

4-’Ty no kapoaka mampahatsiahy fa

Latsaka ny Rany nanadiovana ahy

5- Koa raiso Tompo ny fisaorako

Mendrika ho anao 'Lay Mpamonjiko

37

DERAINA ANIE JESO

Dô dia E

Landy RABENIRAINY /…………………………

1-Deraina anie Jesô

Noho ny fitiavany

Deraina anie Jesô

Noho ny heriny

Fiv. : Mankalaza Anao

Eram-po 'zahay

Ny mijery Anao

Fifalianay

2-Deraina anie Jesô

Fa mahatoky Izy

Deraina anie Jesô

Satria Masina

38

MOA JESOSY VE TSY AHY ?

Dô dia G

Groupe Mobile

1-Na mandalo ady sarotra aza aho

Moa Jesosy ve tsy ahy ?

Aroko sy mandako, sady tokiko

Na hisesy eo anoloako aza moa

’Zay mety ho fakam-panahy

Mampandresy ahy hatrany Jeso.

Fiv. Izy no namonjy ahy

Ka nanafaka ahy

Ary koa mbola miaro

Sy hitantana ahy

Na hisesy eo anoloako aza moa

’Zay mety ho fakam-panahy

Mampandresy ahy hatrany Jeso.

2-Na ambinina aza ireo ratsy fanahy

Moa Jesosy ve tsy ahy ?

Tsy mba hierikerika aho

Tsy hanana ahiahy

Na ety an-tany na any an-danitra any

Ts’isy iriko tahaka Azy

Vatolampy sy anjarako Izy

Fiv. Izy no namonjy ahy

Ka nanafaka ahy

Ary koa mbola miaro

Sy hitantana ahy

Na ety an-tany na any an-danitra any

Ts’isy iriko tahaka Azy

Vatolampy sy anjarako Izy

39

O! N'AIZA N'AIZA

Dô dia G

RAZAKARIA

1- O! n'aiza n'aiza

O! n'aiza n'aiza Jesô no misy ahy re

O! n'aiza n'aiza

Jesô tsy mba mandao

O! n'aiza n'aiza

O! n'aiza n'aiza Jesô faniloko Ianao

Raha maizina e! izao tontolo izao

Hmm… izao tontolo izao.

2-He! falifaly

He! falifaly aho fa he! Navotanao

He! falifaly

Fa afaka tokoa

He !Falifaly

He !Falifaly aho misaotra anao izao

Mpamonjiko e! Mpisolo heloka

Hmmm. Mpisolo heloka

3-Derao, derao

Derao, derao ny Tompo fa lehibe tokoa

Derao, derao

Ny famindrampony

Derao, derao

Derao, derao fa mendrika hotolorana

Ny haja re! Sy voninahitra

Hmmm. Sy voninahitra

4-O! mba faingana

O! mba faingana ianao, ry mpivahiny ô!

O! mba faingana

Mivoha ho anao

O! mba faingana

O! mba faingana sao mikatona indray

Jesosy re! No varavarana

Hmmm. No varavarana

40

O! MBA MINOA

Dô dia C

Binjamin RABENJA RAMIARISON/J.R. SWENEY

1-O! mba minoa an'i Jesosy Tompo

O! mba minoa, ô! mba minoa

Ka maneke ny famonjena re!

O! Avia maneke.

Fiv. 'Zay mino Azy izao

Zay manana Azy izao

Tena sambatra, ao an-danitra

Jeso no làlana

Fahamarinana, Ary koa fiainana

2-O! maneke an’i Jesosy Tompo

O! maneke. O! maneke.

Ka mba mandraisa azy ao am-po

O! avia maneke

3-O! miderà an’i Jesosy Tompo

O! miderà. O! miderà

Fa lehibe ny vonjy azo re!

O! avia miderà

41

KRISTY VOAHOMBO

(Fanevan’ny faha 70 taona FFBBM)

Dô dia D

Andriamarohaja RALAMBOMANANA

Fa ninia tsy hahafantatra

Zavatra hafa

Teo aminareo aho afa-tsy

Jeso Kristy

Jeso Kristy

Indrindra fa Izy voahombo

Voahombo tamin’ny Hazofilaliana

42

IZY IHANY

Dô dia D

Laza RAHARISON

Ninia tsy hahafantatra zavatra hafa

Teo aminareo aho

Afa-tsy Jesosy Kristy

Afa-tsy Jesosy Kristy

Indrindra fa Izy voahombo

Tamin’ny Hazofijaliana

Indrindra fa Izy voahombo

Tamin’ny Hazofijaliana

43

I KORINTIANA 2 / 2

Dô dia G

Jean Patrick RAKOTO RAMIARANTSOA

(O!Fa ninia)

Fa ninia tsy hahafantatra

Tsy hahafantatra

O! Zavatra hafa

Zavatra hafa teo aminareo aho

Afa-tsy Jeso Kristy

(Indrindra )

Indrindra fa Izy Voahombo

Tamin’ny hazo

Jeso Kristy voahombo tamin’ny

Hazofijaliana

44

IZAHAY MINO

Dô dia D

Andry RASOLOFO

Izahay mino ka mahalala fa Ianao

No Ilay Masin'Andriamanitra

Ianao irery ihany no manana ny Teny

Ho fiainana mandrakizay

Fa Teny tonga nofo ianao

Hitanay ny voninahitrao

Jesosy ô ny fahasoavanao

No ifalianay izao

FIAINANANA KRISTIANINA

45

ENDREY TSARA SY MAHAFINARITRA

Dô dia C

Pst Samuel RASETAHARISON

Endrey tsara sy mahafinaritra

Raha ny mpirahalahy

Raha ny mpirahalahy

No miara-monina

Fa voahodidin’i Jehovah ho eo

Ny fitahiany

Ny fitahiany dia fiainana mandrakizay

46

BETIFAGA

Dô dia F

Ramiaraka RABENJA

1-Mankanesa ao Betifaga re ianao,

Ilay vohitra tandrify anao.

Misy zana-boriky izay mifatotra ao,

Ka andeha re mba vahao.

Fiv. Fa ilain’ny Tomponao,

Mba omenao Azy re!

Tadiavin’i Jesosy re, mba vahao,

Jeso no mandidy anao.

2-Betifaga akory tsy mba lavitra anao,

Fa tanàna manodidina.

Misy olo-maro ’zay mifatotra ao,

Ka andeha re mba vahao.

47

AZA MATAHOTRA IANAO

Dô dia Eb

Ndriana RAMAMONJY

Aza matahotra ianao fa momba anao Aho,

Ary aza miherikerika foana,

Fa Izaho no Andriamanitrao.

Mampahery anao Aho sady mamonjy anao,

Eny mitantana anao amin’ny

Tanan-ankavanan’ny fahamarinako Aho.

48

MARO IREO TANORA

Dô dia F

Ndriana RAMAMONJY

1-Maro ireo tanora izay miraparapa,

Ao anatin’ny aizina ao,

Mitambesatra ny ota ka tsy zaka,

Fahoriana re no ao.

Fiv. Iza kosa no hilanja,

Ny fanilo ho azy ireo ?

Izay mampahiratra tokoa ny jamba,

Ka ho vonjy ho azy ireo ?

2-Fahafatesana no toerana itobiany,

Lavitra ny fiainana,

Tsy mba misy fanavotana itokiany,

Manome fiadanana.

3-Fa Jesosy no efa maty ho azy ireo,

Ka mitondra fiainana,

‘Zay mandray dia sahy manandratra ny feo,

Fa manam-piadanana.

49

HANKAIZA IZAHAY

Dô dia F

Brinley Rees EVANS/ William A. Ogden

1-Hankaiza izahay, Jesosy ô,

Aminao, Aminao, ao Aminao,

Tsy misy zava-tsoa Jesosy ô,

Ho anay afa-tsy ao Aminao.

Fiv. Aminao Jesosy (Aminao Jesosy)

Aina ho anay (Aminao Jesosy)

Aminao Jesosy

Zay no mahatsara anay.

2-Raha mbola eto koa Jesosy ô,

Toky sy aronay, ao Aminao,

Tsy misy vonjy koa Jesosy ô,

Ho anay afa-tsy ao Aminao.

3-Raha hody izahay Jesosy ô,

Sambatra, tretrika ao Aminao,

Ho hitanay ny Ray, Jesosy ô,

Ampy izay, soa tokoa, ao Aminao.

50

N’AIZA N’AIZA JESO

Dô dia Eb

Tsy fantatra

1-N’aiza n’aiza Jeso itoeranao,

Sambatr’eo akaikinao ny mpanomponao,

Ota tsy tafiditr’ao, loza tsy hanjo,

Eo no paradisa fanaperan-tsoa.

Fiv. N’aiza n’aiza Jeso no misy Anao,

Mamy lalandava ny eo akaikinao.

2-N’aiza n’aiza Jeso hitarihanao,

Sahy ny mpanomponao, homba anao izao,

Na mamaky afo na mita rano be,

Afa-tahotra aho miaraka Aminao.

3-N’aiza n’aiza Jeso hanirahanao,

Vonona aho Tompo ô hankato Anao,

Hisarahana avokoa izao rehetra izao,

Nefa tsy irery izay akaikinao.

4-N’aiza n’aiza Jeso, eo akaikinao,

Velona aho Tompo ô ! Eo akaikinao,

Eny raha ho faty koa mbola akaikinao,

Tokan-teny aho, eo akaikinao.

51

IZAO NO FIFALIAKO

Dô dia D

Mahefanirina RAKOTOMALALA

1-Izao no fifaliako :

Ny miaraka Aminao Jesosy,

Ny loza tsy hampatahotra ahy,

Fa Ianao no miahy ny fiainako.

Fiv. Ka sambatra aho, midera Anao

Amin’ny fo vaovao,

Ka faly aho midera Anao,

Amin’ny hira vaovao.

2-Ny foko mankasitraka,

Ny fanavotanao Jesosy,

Tsy ho very intsony ny fanahy,

Fa notoloranao ny fiainana.

52

KALVARY

Dô dia F

Landy RABENIRAINY / John M. Moore

1-Fiainana efa ratsy ety,

Kivy reraka am-po,

No nentin’olona ao Kalvary,

An-tongotr’i Jeso,

Entana maro navela ao,

Kalvary, Kalvary,

No nentin’olona ao Kalvary,

An-tongotr’i Jeso.

2-N’inona mahory anao,

Ota maro tokoa,

Jereo fa mbola ao Kalvary,

Miandry anao Jeso,

Entana maro navela ao,

Kalvary, Kalvary,

Jereo fa mbola ao Kalvary,

Miandry anao Jeso.

3-Ts’isy zava-miseho ety,

’Zay tsy hitany,

Ny sento sy ny tomany,

Ento eo Aminy,

Entana maro navela ao,

Kalvary, Kalvary,

Ny sento sy ny tomany,

Ento eo Aminy.

53

JESO FIADANANA

Dô dia F

Landy RABENIRAINY / Tsy fantatra

1-Tao anaty aizin’ny famoizam-po,

Nandrakotra ny fiainako,

No nahatsiarovako ilay Teninao,

Niantso ahy hanokatra ny foko ho Anao.

Fiv. Tsy irery intsony aho hatramin’izay,

Fa miaraka amiko foana Jeso,

Rakotry ny ntrany sy ny fahasoavany,

Ny andro rehetra omeny iainako;

2-Vontom-pahoriana ve ny fiainanao,

Fa ratsy loatra ’zao tany izao?

’Lay Jeso namonjy ahy tia anao koa

Te hanome ny fiadanany hivelomanao.

54

JEROSALEMA VAOVAO

Dô dia F

Landy RABENIRAINY

1-Tsy mba misy fahasambarana

Eto an-tany fandalovana,

Voahodidin-doza mahatsiravina,

Lavitry ny fiadanana.

Fiv. Misy kosa izay nomanin’i Jeso,

Ho an’ny olona voavotra,

Tsy ho hita ao ny fahalovana,

Fa namboariny haharitra.

2-Raha ety dia maro be ny rehaka,

Rendrarendra mahasarika,

Tsy mba volamena fa ankosotra,

’Zay jerena dia mamitaka.

55

O ! RY MINO ! O HENOY

Dô dia C

Zaka RAHARIJAONA

1-O! ry mino, ô! henoy

Fa miantso anao Jesô

Miantso anao Izy mba

Hiara-miasa Aminy

Tsy ny hafa fa ianao

Tsy ny ampitso fa izao

Miandry anao Jesô tia

Hanambara ny Asany

Fiv. Tadidio fa avotr’aina anie

Ny asa izay omen’ny Tompo anao

Tadidio fa i Kristy

Dia nanefa ny Asany

Fa ny anao no mbola miandry ao !

2-Moa ve nosaininao

Raha toa ianao mandà

Aina anie no an-tananao

Aina fa tsy kilalao

Fahafatesana, satria

Fahaverezana doria

No miandry ny olona

Raha tsy miasa ianao

56

MIRAVORAVOA AMIN’ I JEHOVAH

Dô dia A

Landy RABENIRAINY

Miravoravoa amin’i Jehovah ianao

Dia homeny anao izay irin’ny fonao

Ankino amin’i Jehovah koa ny làlanao

Làlanao

Ary Matokia Azy fa hataony tanteraka

57

SAMBATRA NY FO

Dô dia C

Ndriana RAMAMONJY

1-Sambatra ny fo izay matoky Anao

Tsy atopatopan'onja raha manana Anao

Na dia samy hisedra ihany

Zava-tsarotra eto an-tany dia

Sambatra ny fo matoky Anao

Odidinin'ny famindram-ponao isan'andro

Na ririnina aza mbola mahita masoandro

Na dia samy hisedra ihany

Zava-tsarotra eto an-tany dia

Ravo izay misaina toa Anao

2-Sambatra ny saina iray safidy Aminao

Saina mankahala ota nanimba hatrizay

Na dia samy hisedra ihany

Zava-tsarotra eto an-tany dia

Ravo izay misaina toa anao

58

SAMBATRA IANAO

Dô dia D

Andry RASOLOFO

Sambatra ianao izay mino

Mankalaza ny Tompo

Fa tsy maintsy ho tanteraka

Ny Tenin'Andriamanitra

Efa tonga ny Zanany

Natera-behivavy

Mba hitady sy hamonjy

Ny mpanota very.

59

IANAO NO HAHITA

Dô dia D

Landy RABENIRAINY

1-Ny fahasoavanao, izay nahatoy izao,

Ary koa ny soa efa narotsakao,

’Zany re, ry Tompo no niainana hatrizay,

Ary mbola hiainanay anio, mandrakizay.

2-Tsy mba fantatray izay ho ampitsonay,

Maizina tokoa raha ny làlanay ety,

Nefa Tompo ô ! Ianao no itokianay, ka

Tsy ho tampoka aminay izay tendrinao.

3-Be ny fikasana hanao ny sitrakao,

Nefa tsy mahalala ’zay tokony hatao,

Azavao ny sainay, toroy mba hahalala,

Fa Ianao no hahita ’zay mahasoa anay.

60

HE FALIFALY

Dô dia D

RAZAKARIA

1-He falifaly lalandava

Ny fo sy fanahiko,

Fa efa nahita mazava

Ny masom-panahiko,

Fiv. Na misy zava-mahory aza,

Toa faly lalandava,

He falifaly lalandava

Ny fo sy fanahiko.

2-He ! Velona ! Fanantenana

’Zao no mameno ny fo,

Fa hiditra ao an-tanànan’i

Jerosalema tokoa,

61

HIRA TSOTRA

Dô dia D

Ndriana RAMAMONJY

1-Hira tsotra no atao

Hira tena avy ao am-po

Rehefa novonjena ianao

Io no masaka ao an-doha

Fiv. Io no hira fiderana

’Zay mameno ny ao am-po

Ka asandrato ny Hosana ô!

Tsy mba manam-paharoa

2-Amin’ny andro fifaliana

Io no hira avy ao am-po

Amin’ny andro fahoriana

Io no masaka ao an-doha

62

ETY AN-DALANA

Dô dia C

Landy RABENIRAINY /John F. Peterson

1-Ety an-dàlan’ity fiainako ity,

Dia misy efa nitokiako,

Ka ny aizina hazava raha tarihiny,

Io ’Lay Mpamonjy ny fanahiko.

Fiv. Tsy tahotro ny alon-drano mafy,

Ny rivo-doza tsy hahatohina,

Fa ampy ho ahy ny mino sy matoky,

Fa Jeso miara-dia amiko.

2-An-taona maro no efa nahafantarako,

Ny fahamarinan’ny fitiavany,

Ny nanomboana Azy tamin’ny hazo,

Nisarik’ahy hanaiky ao am-po.

63

AZA MATAHOTRA

Dô dia F

Landy RABENIRAINY / Ira F. Stamphill

1-Jehovah Ray ô ! Deraiko Ianao,

Mpamorona ‘zao tontolo izao.

Anao ny hery sy fahefana,

Ny fiandohana, fiafarana.

Fiv. Raha Ianao no miaro ahy,

Iza indray no hahatohitra,

Tsy hisy koa haharombak’ahy,

Fa Ianao no mihazona.

2-Ny tànanao no nisarika,

Ny aiko tao an-davaka.

Ny teninao no fanazavana,

Ny làlako mba ho hitako.

3-Ny Zanakao ato anatiko,

Milaza amin’ny fanahiko :

“Aza matahotra na manahy,

Aoka ny fonao hiadana”.

64

IANAO NO MIAHY

Dô dia Eb-F

Patrick J. RAKOTO RAMIARANTSOA

1-Vao mifoha aho dia midera Anao,

Ny androko ankiniko Aminao,

Fiv.(2) Ny fiainako rehetra,

Anao ts’isy fetra,

Tompo ô Ianao no miahy.

2-Ny Fitiavanao no iainako,

Tsy mba sambatra aho raha tsy eo Ianao,

3-Raha tonga indray ny alina,

Tsy hatahotra aho fa eo Ianao,

4-Ny hany faniriako Tompo ô!

Dia ny hanompo Anao hatrany.

NY TENIN’ANDRIAMANITRA

65

NY TENINAO

Dô dia D

Mahefanirina RAKOTOMALALA

Ny Teninao, ny Didinao,

Ray ô ataoko an-kira,

Tsy hohadinoiko mandrakizay Hosaintsainiko,

Ny Làlan’ny fahamarinanao

No finidiko,

Apetrako eo anatrehako

Ny Fitsipikao ( Teninao)

Ny Teninao, ny Didinao,

Ray ô! ataoko an-kira,

Tsy hohadinoiko mandrakizay

Amena !

66

NY TENIN’NY BAIBOLINAO

Dô dia C

Tsy fantatra

1-Ny tenin’ny Baibolinao Jehovah,

Fanilo manazava anay ety,

Manoro koa ny lalam-pamonjena,

Hizoranay ho tonga soa ary,

Fiv. Ry boky mpanasoa anay (Baiboly soa)

Baibolim-pamonjena

Harena sy fanananay (Harena sy)

Fanananay tsy azom-bolamena.

2-Ny Tenin’ny Baibolinao Jehovah,

Dia sabatra entinay mandresy koa,

Koa tsy ho resin’ny fakam-panahy,

Ny manana ny Teny mahasoa.

3-Ny Tenin’ny Baibolinao Jehovah,

Dia mofon’aina ivelomanay,

Sakafo mahatanjaka ny saina,

Vatsim-panahy mandrakizay.

4-Isaoranay, isaoranay Jehovah,

Fa lovanay ny Baiboly soa,

Hahaizanay mamantatra mazava,

Ny Fitiavanao anay tokoa.

67

AOKA NY TENIN’I KRISTY

Dô dia G

Faly Henintsoa RAFIDIMANANA

Aoka ny Tenin’i Kristy

Hitoetra betsaka ao aminareo,

Amin’ny fahendrena,

Fahendrena rehetra,

Dia mifampianara ka mifananara

Amin’ny Salamo sy ny

Fihirana ary ny

Tonon-kiram-panahy.

Mihirà amin’ny fahasoavana,

Ao am-po ho an’Andriamanitra.

ANKIZY

68

JAKY JAKY

Dô dia F

Tsy fantatra

Jaky, jaky, na dia toy ny jaky,

Mangatrakatraka ny fahotanao,

Fotsy, fotsy toy ny oram-panala,

Raha ny rà soa no manadio anao.

69

NY ZANA-BORONKELY

Dô dia F

Henri Samuel RALAMBONDRAINY /S.W. STRAUB

1-Ny zana-boronkely re

Raha sendra latsaka,

Vonjen’Andriamanitra,

Arovany tokoa.

Fiv. Izaho koa dia tiany na kely aza re,

Jesosy Tompo Lehibe Mpiaro ahy koa.

2-Tantely ary vitsika

Sy lolo kely koa,

Dia tian’Andriamanitra,

Omeny zava-tsoa .

3-Ny voninkazo he! Jereo

Tafiany tsara ery

Omeny fofo-manitra

Ka tretrika tokoa

4-Nomeny ray sy reny koa

Izaho kely ity,

Nomeny ny Mpamonjy koa

Ka faly fo ery.

70

FANILON’NY TONGOTRO

Dô dia F

Ndriana RAMAMONJY

1-Fanilon'ny tongotro

Sy fanazavana koa

Ny làlako ny Teninao

Andriamanitra ô !

2-Ny Teninao Masina

No mpitarika anay

Handresenay ny Devoly

Hanafika anay

3-Madio ny Teninao

Ka hianaranay

Ka omeo ny fahendrena

Ho tia ny Teninao

71

IANAREO ANKIZY

Dô dia A

Tsy fantatra

1-Ianareo ankizy antsoin’i Jesosy Tompo,

Hanazava ny manodidina anareo,

Maizina ny tany itoerantsika izao,

Misehoa ho jiro kely hamirapiratra ao.

2-Na malemy aza isika ankizy kely,

Afaka hanazava ny manodidina,

Satria Jesosy mitahy antsika izao,

Manazava, mampahery sy miaro koa.

3-Asehoy ny fahazavanao,

Hanazava izao tontolo izao,

Asehoy Jesosy Tomponao,

Misehoa ho jiro kely hamirapiratra ao.

72

ISAORANA ANIE JEHOVAH

Dô dia G

Mahefanirina RAKOTOMALALA

Isaorana anie Jehovah,

Andriamanitry ny Israely,

Hatramin’ny taloha indrindra,

Ka mandrakizay.

Ary aoka ny olona rehetra,

Hanao hoe : “Amena” (Haleloia), “Amena”.

73

HE NY FIFALIAKO

Dô dia E

Tsy fantatra

He! ny fifaliako, faly izao ny foko,

Fa Jesosy Kristy no Mpamonjiko,

’Zao no faniriako, ’zao no tena tiako,

Tsy hisaraka Aminao.

’Zao no tiako (bis)

Hiara-belona Aminao, ry Jeso,

Ka iriko (bis)

Tsy hisaraka Aminao.

74

ANDRIAMANITRA BE VONINAHITRA

Dô dia E.

Landy RABENIRAINY

Andriamanitra be voninahitra, Andriamanitra Fitiavana,

Andriamanitra Fahamarinana,

Tonga ho ahy tsy manam-pahamendrehana,

Andriamanitra Fitiavana,

Andriamanitra Fahasoavana,

Andriamanitra Fanavotana,

Tonga ho ahy ho famonjena ny fanahy.

Deraiko Ianao Andriamanitra ô !

Satriko foana hidera Anao,

Deraiko Ianao Andriamanitra ô !

Ambony loatra ny toetranao,

Deraiko Ianao Andriamanitra ô !

Satriko foana hidera Anao,

Deraiko Ianao Andriamanitra ô !

Ambony loatra ny toetranao,

Ka toy izao ny hirako : “Haleloia! Amena!”

75

IZA NO NAMORONA ?

Dô dia C

Ndriana RAMAMONJY

1-Iza no namorona, tany sy ny lanitra,

Trondro sy ny vorona?

Moa tsy Andriamanitra?

‘Ry masoandro iry sy ireo fahazavany,

Hoy Izy hoe : “Misia !”, dia indro nisy izany.

2-Izay rehetra vita dia hitany fa tsara,

Ts’isy ny tomika fa tsara karakara,

Moa va tsy toy izany no nanaovany ahy,

Tsy vatako ihany fa saina sy fanahy.

76

INDRO EFA MITSANGANA.

Dô dia D

Ndriana RAMAMONJY

Indro efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondona,

Raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana,

Dia hiditra Aho ka hiaraka misakafo aminy ary izy Amiko.

77

O! MATOKIA AN’I JEHOVAH

Dô dia F

Ndriana RAMAMONJY

O! Matokia an’i Jehovah

Amin’ny fonao rehetra,fa aza

Miankina amin’ny fahalalanao,

Maneke Azy amin’ny alehanao rehetra,

O! Matokia an’i Jehovah

Amin’ny fonao rehetra,fa aza

Miankina amin’ny fahalalanao,

Maneke Azy amin’ny alehanao rehetra,

78

MI+TE+NE+NA

Dô dia E

Ndriana RAMAMONJY

“M” ampiana “I” manao hoe “MI”,

“T” ampiana “E” manao hoe “TE”,

“N” ampiana “E” manao hoe “NE”,

“N” ampiana “A” manao hoe “NA”.

’Reo rehetra ireo hatambatra,

Dia manao hoe : “MITENENA”,

Mitenena Jehovah ô !

Fa mihaino ny mpanomponao.

79

FA TOY IZAO

Dô dia D

Ndriana RAMAMONJY

Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra An’izao tontolo izao,

Nomeny ny Zanani-lahy Tokana

Mba tsy ho very,

Mba tsy ho very izay mino Azy,

Fa hanam-piainana mandrakizay,

Fa hanana ny fiainana mandrakizay.

80

MIHAINOA, RY LANITRA

Dô dia Bb

Faly Henintsoa RAFIDIMANANA

Mihainoa, ry lanitra, fa hiteny Aho

Mandrenesa, ry tany, ny Tenin’ny vavako

Fa ny Anaran’i Jehovah

No hotoriako,

Maneke ny ahalehibeazan’Andriamanitsika

Ny amin’ny vatolampy, tanteraka ny Asany

Ary ny asany rehetra

Dia amin’ny rariny avokoa

Izy no Andriamanitra, tena mahatoky

Andriamanitry ny fahamarinana

81

FALIFALY IZAHAY

Dô dia F

Patrick J . RAKOTO RAMIARANTSOA

Falifaly izahay

Fa nahazo famonjena

Taminao Jeso Tompo

Haleloia! Haleloia!

82

’NDRETO IZAHAY

Dô dia F

Patrick J . RAKOTO RAMIARANTSOA

’Ndreto ’zahay Tompo ô!

Hitsaoka ny Anaranao

Ho Anao irery anie mandrakizay

Ny voninahitra

Izao rehetra izao

Mihoby Anao Tompo ô!

83

ANDRIAMANITRA O!

Dô dia D

Patrick J . RAKOTO RAMIARANTSOA

1- A a a Andriamanitra ô!

Faly aho fa noforoninao

Ny tany ,’zao rehetra izao

Ary indrindra ny olombelona

Fitiavana, Fahasoavana

Avy Aminao izany

2-O ô ô Jeso Tompo ô!

Ianao no mampihavana

Ny olona sy Andriamanitra

Ianao Ilay Voahosotra

Fitiavana, Famonjena

Avy Aminao izany.

84

HOSANA HO AN’NY ZANAK’I DAVIDA

Dô dia Ab

Patrick J . RAKOTO RAMIARANTSOA

Hosana! Hosana!

Ho an’ny Zanak’i Davida

Hosana, Hosana

Ho amin’ny Avo Indridnra

Isaorana anie

Izay avy amin’ny Anaran’i Jehovah

Andriamanitra mahery

Hatramin’ny taloha indrindra

Ka mandrakizay

85

NY ALA SY NY VORONA

Dô dia Ab

Patrick J . RAKOTO RAMIARANTSOA

Iza no namorona

Ny lanitra sy ny tany

Ny ala sy ny vorona

Ary ny olombelona ?

Andriamanitra

Izy no namorona

Izy no nampisy koa

’Zao tontolo izao

86

LEHIBE NY ASANY

Dô dia E

Patrick J . RAKOTO RAMIARANTSOA

Izy no namorona

Ny tany sy ny lanitra

Ny maraina sy hariva.

Izy no Andriamanitra

Ny trondro ny vorona

Ary indrindra ny olona

Miderà, mihobia

An’Andriamanitra

Lehibe ny Asany

Mahafinaritra

87

JESO NO TOKIKO

Dô dia E-F

Patrick J . RAKOTO RAMIARANTSOA

1- Jeso no tokiko

Jeso no aroko

Jeso, Jeso

Jeso no fiainako

2- Jeso no heriko

Jeso no mandako

Jeso, Jeso

Jeso no fiainako

88

VONINAHITRA

Dô dia F

Patrick J . RAKOTO RAMIARANTSOA

Voninahitra ho amin’ny Avo Indrindra

Ho amin’ny Avo Indrindra

Avo Indrindra ho an’Andriamanitra

Fiadanana ho ety ambonin’ny tany

Ho an’ny olona

Ny olona ankasitrahany

He! voninahitra (He! voninahitra)

Ho an’Andriamanitra(Ho an’Andriamanitra)

Hobio, derao ankalazao

Ny Tompo, mandrakizay, Amena

89

FIDERANA ANAO

Dô dia D

Patrick J . RAKOTO RAMIARANTSOA

O! fiderana, fiderana Anao Andriamanitra ô!

O! fiderana, fiderana Anao Andriamanitra ô!

Fihobiana ,fihobiana Anao Andriamanitra ô!

Fiderana, fiderana fankalazana

Fihobiana ny Anaranao

No hirainay ety an-tany

No hiraina any an-danitra any

Haleloia, haleloia, haleloia

Haleloia, haleloia

No hirainay ety an-tany

No hiraina any an-danitra any

O! fiderana, fiderana Anao Andriamanitra ô!

O! fiderana, fiderana Anao Andriamanitra ô!

90

ASA 16 / 31

Dô dia E-F-G

Patrick J . RAKOTO RAMIARANTSOA

Minoa an’i Jesosy Tompo

Dia hovonjena ianao

91

VELONA NY TOMPOKO

Dô dia D

Andrianavalona RABENJA

1-Velona Jeso (3)

Velona ny Tompoko (2)

2-Jesosy no Tompo (3)

Velona ny Tompoko (2)

92

ZAZA TERAKA

Dô dia Eb

Andrianavalona RABENJA

1- Zaza teraka,

Zazalahy nomena ;

Mba hanafaka

Ny olona ho vonjena.

2-Manana Anarana

’Zay mamelon’aina,

Dia Mahagaga

Sy Mpanolotsaina

3-Anaran-danitra,

Azy samy irery ;

Andriamanitra

Mahery

4-Rain’ny mandrakizay,

Andriam-piadanana ;

’Zay tia hatrizay

Tsy azo faranana

93

ANKALAZAO

Dô dia Bb

Tsy fantatra

1-Ankalazao

Ny fitiavan'Andriamanitra anao

Fa lehibe tokoa,

Derao,derao

Fa tonga ho antsika Ilay Mpanavotra

Jesosy Tompo soa

Fiv : Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra

Izao tontolo izao, fa nomeny

Ny Zanany Lahitokana

Mba tsy ho very izay rehetra

Izay rehetra mino Azy

Fa hanana fiainana

Fiainana mandrakizay

2-Lazao, lazao

Ny fitiavan'Andriamanitra anao

Fa lehibe tokoa

Ka ambarao

Fa Izy no nanaisotra

Ny fahotan'izao tontolo izao

94

HOY JESOSY TOMPO

Dô dia C

Benjamin RABENJA RAMIARISON

1-Hoy Jesosy Tompo

Raha tety an-tany :

“Mba avelao ny zaza

Avelao, avelao hankaty”

Fiv . “Tena tiako izy

Na dia mbola ankizy

K'aza mba rarana

Tsy hanatona Ahy

Na dia kely aza

Na dia mbola zaza

Ho tahiko re!”

2-Tiako ny zazakely

Zaho no mpiandry tsara

Tsy foiko hisy ho very

O! avia, ô! avia hankaty

3-Avia ry zazakely

Jesosy no miantso

Avia ho tahiany

O! avia. O! avia hankaty

Ahitra ihany ………………………..

24

Ampy ho anay ny fahasoavanao ……

23

Andriamaintra ô! Rainay ……………

1

Andriamanitra be voninahitra ……….

74

Andriamanitra mpamorona…………..

3

Andriamanitra ô! …………………….

83

Ankalazao ……………………………

93

Aoka ny Tenin'i Kristy ………………

67

Ary ny Teny …………………………

30

Asa 16 : 31 …………………………..

90

Asandrato ny hoby ………………….

7

Aza matahotra ………………………

63

Aza matahotra ianao ………………..

47

Betifaga ……………………………...

46

Deraina anie Jeso …………………….

37

Deraina mandrakizay ………………..

26

Endrey tsara sy mahafinaritra ……….

45

Ety an-dàlana ………………………..

62

Fa mandrakizay ny famindram-pony..

4

Fa toy izao ………………………….

79

Fahatsiarovana ……………………….

36

Falifaly izahay ……………………….

81

Fanilon'ny tongotro ………………….

70

Fiderana anao ………………………..

89

Fitia fatratra ………………………….

14

Hankaiza izahay ……………………..

49

He falifaly ……………………………

60

He ny fifaliako ……………………….

73

Hira fisaorana ………………………..

5

Hira tsotra ……………………………

61

Ho an'i Jesosy Kristy ………………..

34

Ho avy Jesô (pst RASETAHARISON)…

32

Hosana ho an'ny Zanak'i Davida …..

84

Hoy Jesosy Tompo ………………….

94

I Koritiana 2 : 2 ……………………..

43

Ianao no hahita ………………………

59

Ianao no miahy ……………………..

64

Ianareo ankizy ………………………

71

Indro efa mitsangana ………………..

76

Inona re no mahavonjy ……………..

31

Isaorana anie Jehovah ……………….

72

Isaoranay Ianao Jehovah Ray ………..

6

Iza no namorona ……………………..

75

Izahay mino ………………………….

44

Izao no fifaliako ……………………..

51

Izy ihany …………………………….

42

Izy no lehibe …………………………

27

Izy no mitrotro antsika ………………

12

Jaky jaky ……………………………

68

Jehovah NISI ………………………..

16

Jerosalema vaovao ………………….

54

Jeso fiadanana ……………………….

53

Jesô no tokiko ……………………….

87

Jeso no tsy miova ……………………

33

Jeso Tompo amboary ……………….

28

Jesosy no tena vato fehizoro ………..

29

Kalvary ……………………………...

52

Kristy Voahombo …………………...

41

Lehibe ny asany …………………….

86

Maro ireo tanora …………………….

48

Masina, masina, masina …………….

22

MI+TE+NE+NA ……………………

78

Miderà Azy …………………………

2

Mihainoa ry lanitra ………………….

80

Mihainoa ry Nosy …………………..

20

Miravoravoa amin'i Jehovah ………...

56

Misaotra Anao zahay ry ray ………..

10

Mitehafa tànana ……………………..

8

Moa Jesosy ve tsy ahy ………………

38

Nafoinao tokoa ……………………...

18

N'aiza n'aiza Jesô ……………………

50

Ndreto izahay ………………………

82

Noho ity maraina vao ……………….

9

Ny ala sy ny vorona …………………

85

Ny fivorianay ……………………….

13

Ny Teninao(Mahefa) ………………..

65

Ny Tenin'ny Baibolinao …………….

66

Ny voninahitra no mendrika ………...

17

Ny zana-boron-kely …………………

69

O! Matokia an'i Jehovah …………….

77

O! Mba minoa ………………………

40

O! N'aiza n'aiza …………………….

39

O! Ry mino ô henoy ………………..

55

Ray mahery …………………………

11

Salamo 16 …………………………...

25

Sambatra ianao ……………………...

58

Sambatra ny fo izay matoky ………..

57

Tamin'ny voalohany ny teny ………..

15

Tompo lehibe (Faly) ………………..

21

Tsy hozaka ………………………….

35

Tsy miova Aho ……………………..

19

Velona ny Tompoko ………………..

91

Voninahitra ………………………….

88

Zaza teraka ………………………….

92

Fizahan-daharana

- 22 -