23
FIRAIKETANA IREO FEHEZAN-DALÀNA SADY FANAMORANA NY FIFANAKALOZANA EO AMIN’NY MPISEHATRA MBA IARAHANA MAHAZO NY LALANA MIFEHY NY ALA HONKO.

FIRAIKETANA IREO FEHEZAN-DALÀNA SADY ......1.2 Fanaraha-maso sy famaizana ny fandikàna ny lalàna mifehy ny faritra misy ala honko, ataon’ny tompon’andraiki-panjakana foibe sy

  • Upload
    others

  • View
    3

  • Download
    0

Embed Size (px)

Citation preview

Page 1: FIRAIKETANA IREO FEHEZAN-DALÀNA SADY ......1.2 Fanaraha-maso sy famaizana ny fandikàna ny lalàna mifehy ny faritra misy ala honko, ataon’ny tompon’andraiki-panjakana foibe sy

FIRAIKETANA IREO FEHEZAN-DALÀNA

SADY FANAMORANA NY FIFANAKALOZANA EO AMIN’NY

MPISEHATRA MBA IARAHANA MAHAZO NY LALANA MIFEHY

NY ALA HONKO.

Page 2: FIRAIKETANA IREO FEHEZAN-DALÀNA SADY ......1.2 Fanaraha-maso sy famaizana ny fandikàna ny lalàna mifehy ny faritra misy ala honko, ataon’ny tompon’andraiki-panjakana foibe sy

1. Ala honko sy fahefam-panjakana

1.1 Fanentanana sy fampiroboroboana ny faritra misy ala honko ataon’ny tompon’andraiki-panjakana foibe sy eny ifotony 1.2 Fanaraha-maso sy famaizana ny fandikàna ny lalàna mifehy ny faritra misy ala honko, ataon’ny tompon’andraiki-panjakana foibe sy eny ifotony

2. Ala honko sy ny fiarovana ny faritra voajanahary

2.1 Manana andraikitra lehibe amin’ny fiatrehana ny zava-misy ny ala honko 3. Asa fihariana toekarena eny amin’ny faritra ahitana ala honko

3.1 Toera-ponenan’ny trondro, ny makamba ary ny drakaka ny ala honko 3.2 Toerana mampandroso ny zahavoahary ny faritry ny ala honko 3.3 Ny faritry ny ala honko sy ny fitrandrahana ala

4. Ny fiharina sosialy any amin’ny faritry ny ala honko

4.1 Ala honko, loharanon’ny zava-maniry fihinanana, ny zava-maniry fitsaboana aryhazo fandrahoanasy ilaina amin’ny fanorenan-trano ho an’ny mponina eny ifotony.

5. Fitsarana

5.1 Andraikiny 5.2 Rafitra sy mpisehatra 5.3 Fomba fiasa 5.4 Sehatra iasana 5.5 Dingana isan’ambaratongany 5.6 Zavatra iraisan’ny ady heloka, ny ady madio, ny ady amin’ny fanjakana 5.7 Ady heloka 5.8 Ady madio 5.9 Raharaha fitananana ara-panjakana sy ara-bola

6. Tsara ho fantatra

6.1 Karazana heloka 6.2 Heloka ara-javaboahary 6.3 Mampiavaka ny heloka ara-javaboahary 6.4 Voambolana

7. Fifandraisan’ny fiharian’ny olombelona amin’ny lafiny toetrandro sy ny hafa noho ny toetr’andro

7.1 Karazana fisehony 7.2 Antony manimba ny ala honko

8. Modely fintanana an-tsoratra 9. Fanampin-dalàna sy andinin-dalàna

9.1 Lalàna mifehy ny ala. 9.2 Fitantanana ny harena anaty rano. 9.3 Dingana lalàna samihafa sy ny famaizana.

Page 3: FIRAIKETANA IREO FEHEZAN-DALÀNA SADY ......1.2 Fanaraha-maso sy famaizana ny fandikàna ny lalàna mifehy ny faritra misy ala honko, ataon’ny tompon’andraiki-panjakana foibe sy

Ny Ala honko sy ny fahefam-panjakana « FANENTANANA SY FAMPIROBOROBOANA NY FARITRY NY ALA HONKO ATAON’NY TOMPON’ANDRAIKI-PANJAKANA FOIBE SY NY ENY IFOTONY »

Mampahafantatra sy manaparitaka amin’ny besinimaro ny lalàna sy ny fepetra mifehy ny ala honko ny tompon’andraiki-panjakana foibe sy ny eny ifotony. Araka ny voalaza hoe « tsy misy tsy tokony tsy ahafantatra ny lalàna », ilaina ny manentana sy mampahafantatra ny rehetra ny lalàna araka ny tokony ho izy. Mampiroborobo ny fihariana toekarena sady manampy amin’ny fiarovana ny faritry ny ala honko sy ny faritra marefo izany finiavana izany.

I. Araka ny didim-panjakana lah.2019-138, ny 20 febroary 2019, mamaritra ny andraikitry ny

Minisitry ny Tontolo ianana sy ny fampandrosoana maharitra, sy ny rantsa-mangaikan’ny minisitera, anjaran’izy ireo ny mampahafantatra ny besinimaro ny fiarovana ny tontolo iainana

Nalaina tao amin’ny didim-panjakana lah.2019-138 Andininy faha- 2 : « (…) Andraikitry ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra ny mamolavola, ny mandrindra, ny fanatanterahana sy ny fanaraha-maso sady fanaranombanana ny politikam-panjakana mikasika ny lafiny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra. (…). Araka izany, andraikiny ny : (…) � Manamafy ny fampahalalam-baovao, ny fanentanana, ny fanabeazana ara-tontolo iainana mba hisian’ny fiovan’ny fitondran-tena sy ny toe-tsaina miaro ny tontolo iainana (…)

II. Araka ny Lalàna fehizoro lah. 2014-018 ny 14 aogositra 2014, mamaritra ny fahefana, ny dingana samihafa amin’ny fikarakarana sy ny fomba fiasan’ny Vondrom-paritra itsinjaram-pahefana, sy ny fitantanany ny andraikiny ankapobeny, izay fenoin’ny lalàna fehizoro lah.2016-030, ny 23 aogositra 2016, mamaritra ny andraikitry ny kaominina amin’ny lafiny fiarovana ny tontolo iainana

Nalaina tao amin’ny lalàna fehizoro lah.2014-018 Andininy faha-28 : « (…) Eo amin’ny lafiny tontolo iainana, mifandray ny fandrafetana ny fampandrosoana sy ny kaominina sy ny fanatanterahana ny hetsika amin’ny : (…) ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary (…) ».

Page 4: FIRAIKETANA IREO FEHEZAN-DALÀNA SADY ......1.2 Fanaraha-maso sy famaizana ny fandikàna ny lalàna mifehy ny faritra misy ala honko, ataon’ny tompon’andraiki-panjakana foibe sy

« FANENTANANA SY FAMPIROBOROBOANA NY FARITRY NY ALA HONKO ATAON’NY TOMPON’ANDRAIKI-PANJAKANA FOIBE SY NY ENY IFOTONY »

III. Voalazan’ny lalàna fehizoro lah.014-018 du 14 aout 2014 ny fahefana, ny fomba fanomanana sy

ny fomba fiasan’ny Vondrom-paritra itsinjaram-pahefana, sy ny fitantanana ny raharahany ankapobeny, fenoin’ny lalàna fehizoro lah.2016-030, ny 23 aogositra 2016, izay milaza koa ny andraikitra amin’ny fihariana ara-toekarena mifandray amin’ny harena voajanahary, toy ny faritry ny ala honko

Nalaina tao amin’ny lalàna fehizoro lah.2014-018

Andininy faha-28 : « Ankoatra ny voalazan’ny andininy teo aloha, andraikitry ny kaominina koa ny : (…) mikasika ny lafiny toekarena, ny famolavolana ny drafi-pampandrosoana ny kaominina sy ny manatanteraka ny asa mifandray amin’ny: fizahantany eny ifotony. (…) Ho an’ny lafiny tontolo iainana, ny mamolavola ny drafitry ny kaominina sy ny manatanteraka ny asa mifandray amin’ny : (…) ny fanomezan-danja(…) ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary (…) »

Page 5: FIRAIKETANA IREO FEHEZAN-DALÀNA SADY ......1.2 Fanaraha-maso sy famaizana ny fandikàna ny lalàna mifehy ny faritra misy ala honko, ataon’ny tompon’andraiki-panjakana foibe sy

« FANARAHA-MASO SY FAMAIZANA ATAON’NY TOMPON’ANDRAIKI-PANJAKANA FOIBE SY NY ENY IFOTONYMIKASIKA NY FANDIKAN-DALANA MIFEHY NY FARITRY NY ALA

HONKO»

Andraikitry ny mpiasam-panjakana sy ny eny amin’ny vondrom-bahoakam-paritra ny fanaraha-maso ny fitantanana ny ala honko. Entina eny amin’ny fitsarana ny fandikana ny lalàna sy ny fitsipika rehetra mba hampiharana ny sazy mifandraika amin’izany.

I. Ny didihitsivolana lah.60-128, ny 3 oktobra 1960, mamaritra ny dingana arahina amin’ny famaizana mikasika ny fandikan-dalàna amin’ny ala, ny fihazana, ny fanjonoana ary ny fiarovana ny zavaboahary, dia manome alalana ny mpiasam-panjakanahikaroka, hijery ifotony ary hanenjika ireo mandika lalàna mifandray amin’ny ala (ala honko).

Nalaina tao amin’ny didihitsivolana lah.60-128 Andininy faha-2 : « Ny fandikan-dalàna mikasika ny ala dia karohina sy enjehin’ny mpiasan’ny sampandraharahan’ny ala sy ny mpiasam-panjakana malagasy hafa, izay manana ny fahafena amin’izany, araka ny fepetra voalazan’ny didim-panjakana avoakan’ny filan-kevitry ny minisitra ».

Page 6: FIRAIKETANA IREO FEHEZAN-DALÀNA SADY ......1.2 Fanaraha-maso sy famaizana ny fandikàna ny lalàna mifehy ny faritra misy ala honko, ataon’ny tompon’andraiki-panjakana foibe sy

« FANARAHA-MASO SY FAMAIZANA ATAON’NY TOMPON’ANDRAIKI-PANJAKANA FOIBE SY NY ENY IFOTONYMIKASIKA NY FANDIKAN-DALANA MIFEHY NY FARITRY NY ALA

HONKO»

II. Araka ny lalàna fehizoro lah.2014-018 ny 14 aogositra 2014, mamaritra ny fahefana, ny fomba fandaminana sy ny fiasan’ny Vondrom-paritra itsinjaram-pahefana, sy ny fitantanana ny asany ankapobeny, sady fenoin’ny lalàna fehizoro lah. 2016-030 ny 23 aogositra 2016, izay mitanisa ny andraikitra ho fisorohana ny fanimbana ny ala

Nalaina tao amin’ny lalàna fehizoro lah.2014-018 Andiny faha-28 : (…) Eo amin’ny lafiny tontolo iainana, ny famolavolana ny drafi-pampandrosoan’ny kaominina sy ny fanatanterahana ny asa mifandray amin’ny : (…) fisorohana sy ny ady amin’ny fanimbana ny ala »

III. Ny didihitsivolana lah.60-128 ny 3 oktobra 1960, mamaritra ny dingana ampiharina amin’ny famaizana ny heloka mifandray amin’ny lalàna mifehy ny ala, ny fihazana, ny fanjonoana ary ny fiarovana ny zavaboahary, izay mitanisa ny fehezan-dalàna famaizana faritan’ny zo iombonana mikasika ny ala honko

Nalaina tao amin’ny didihitsivolana lah.60-128

Andininy faha-22 : « Ny firaiketana (PV) rehetra (…) dia tsy maintsy hanaovana fiantsoana ara-pitsarana ny voarohirohy hiakatra eny amin’ny fitsarana famaizana

manana ny fahefana. »

Page 7: FIRAIKETANA IREO FEHEZAN-DALÀNA SADY ......1.2 Fanaraha-maso sy famaizana ny fandikàna ny lalàna mifehy ny faritra misy ala honko, ataon’ny tompon’andraiki-panjakana foibe sy

Ny ala honko sy ny fiarovana ny toerana voajanahary « MANANA ANDRAIKITRA LEHIBE AMIN’NY FIATREHANA NY FIOVAN’NY

TOETR’ANDRO NY ALA HONKO »

Manakana ny loza voajanahary (fihotsahan’ny morontsiraka, ny tsunami sy ny rivo-doza) ny ala honko. Manana andraikitra lehibe koa izy amin’ny fanangonana ny entona karbôna, ny fitrohana sy ny fanapariahana ny fiakaran’ny ranomasina, mamatsy ny rano any ambanin’ny tany sady tahiry ho an’ny tontolo mananaina, toeram-ponenan’ny vorona sy ny biby marobe ahiana ho lany tamingana. Vokatr’izany, tsy maintsy asiana fepetra mifanaraka amin’ny alalan’ny lalàna sy ny fitsipika ny asa fihariana ara-toekarena sy ara-tsosialy any amin’ny faritry ny ala honko rehetra.

Mikasika ny fihariana amin’ny jono Nalaina tao amin’ny didy fanapahana lah.18177/04 Andininy faha-2 : « Ho fampiharana ny Didy lah. 99-954 ny 15 desambra 1999, mifandray amin’ny Fampifandrifiana ny Fampiasam-bola amin’ny Tontolo iainana (MECIE) sy ny fanintsiana azy, dia tsy maintsy manao Fanadihadiana ny fiantraikany amin’ny tontolo iainana ny fihariana rehetra, toy ny fikarohana na ny fitrandrahana, na izany amin’ny fomba indostrialy, na madinika (nentin-drazana), amin’ny lafiny ala, harena an-kibon’ny tany, fotodrafitrasa na fanajariana, fambolena, fiompiana, jono, loharanon-karena voajanahary azo havaozina, fizahantany sy fiantranoana, indostria, fitantanana akora sy fako samihafa, vokatra ara-tsolika sy akora ambanin’ny tany, any amin’ny faritr’ala saro-pady». Nalaina tao amin’ny Fehezan-dalàna mifehy ny jono sy ny fihariana anaty rano Andininy faha-19 : « Any amin’ireo faritra saro-pady sy ny ala honko, misy ny lalàna mamaritra ny fepetra hiarovana ny zava-maniry sy ny biby anaty rano ».

Page 8: FIRAIKETANA IREO FEHEZAN-DALÀNA SADY ......1.2 Fanaraha-maso sy famaizana ny fandikàna ny lalàna mifehy ny faritra misy ala honko, ataon’ny tompon’andraiki-panjakana foibe sy

Nalaina tao amin’ny Fehezan-dalàna mifehy ny jono sy ny fihariana anaty rano Andininy faha-19 : « Any amin’ireo faritra saro-pady sy ny ala honko, misy ny lalàna mamaritra ny fepetra hiarovana ny zava-maniry sy ny biby anaty rano ».

Nalaina tao amin’ny Fehezan-dalàna mamaritra ny jono sy ny fihariana anaty rano Andininy faha-34: « Ny fahafahana manjono any amin’ny fari-dranomasina, faritan’ny andininy faha-3 a) dia anjaran’ny fanjakana malagasy no manome alalana ny olona na ny orinasa tokony hanao izany ».

Mikasika ny fihariana amin’ny fizahantany Nalaina tao amin’ny didy fanapahana lah.18177/04 Andininy faha-2 : « Ho fampiharana ny didim-panjakana lah. 99-954 ny 15 desambra 1999, mifandray amin’ny Fampifandrifiana ny Fampiasam-bola amin’ny Tontolo (MECIE) sy ny fanintsiana azy, dia mila manana Fanadihadiana ny fiantraikany amin’ny Tontolo iainana ny fiharianarehetra, na izany fikarohana na fitrandrahana, amin’ny fomba indostrialy na madinika, amin’ny sehatry ny ala, harena an-kibon’ny tany, fotodrafitrasa na fanajariana, fambolena, fiompiana, jono, loharanon-karena voajanahary azo havaozina, fizahantany sy fiantranoana, indostria, fitantanana akora sy fako samihafa, vokatra ara-tsolika sy akora ambanin’ny tany, any amin’ny faritr’ala saro-pady». Nalaina tao amin’ny Fehezan-dalàna mifehy ny Fizahantany Andininy faha-13 : « Ny fanaovana asa fihariana manodidina ny sehatry ny fizahantany rehetra dia tsy maintsy ahazoana fanomezan-dalana mialoha, avy amin’ny minisiteran’ny Fizahantany ». Ny Fehezan-dalàna vaovao mifehy ny Fitananana ny Faritra arovana dia mitaky, ny hisian’ny fifanarahana amin’ny lafiny fizahantany ataon’ny matihanina amin’ity sehetra ity, sy fifanarahana mikasika ny fitantananaiombonana ataon’ny vondron’olona eny ifotony Nalaina tao amin’ny Fehezan-dalana mikasika ny Faritra Arovana Andininy faha-43 : « Ny fifanarahana manana endrika ara-barotra, sady mahakasika ny fihariana ara-pizahantany na hafa dia afaka ataon’ny mpitantana sy ny olona na ny orinasa, rehefa nahazo fankatovana avy amin’ny Ministera miandraikitra ny Faritra Arovana». « Ny fehin-teny rehetra amin’ny fifanarahanamanana lanja iraisam-pirenena na manan-danja lehibe dia sahanin’ny Ministera miandraikitra ny Faritra Arovana». Andininy faha-49 : « Faritan’ny Fifanarahana mikasika ny fitantanana eny ifotony ny asan’ny mponina eny ifotony mikasika ny fiharian'izy ireo ny fihariana ara-toekarena, ara-tsosialy, ara-kolontsaina, ara-pinoana ary ny fomba ataony mikasika ny fitantanana ny faritra arovana».

Page 9: FIRAIKETANA IREO FEHEZAN-DALÀNA SADY ......1.2 Fanaraha-maso sy famaizana ny fandikàna ny lalàna mifehy ny faritra misy ala honko, ataon’ny tompon’andraiki-panjakana foibe sy

Mikasika ny fihariana mifandray amin’ny sehatry ny ala Nalaina tao amin’ny Didy fanapahana lah.18177/04 Andininy faha-2 : « Ho fampiharana ny Didihitsivolana lah. 99-954, mifandray amin’ny Fampifandrifiana ny Fampiasam-bola amin’ny Tontolo iainana (MECIE) sy ny fanintsiana azy, dia mila manana Fanadihadiana ny Fiantraikany amin’ny Tontolo iainana ny fikarohana na fitrandrahana, amin’ny fomba indostrialy na madinika, amin’ny sehatry ny ala, harena an-kibon’ny tany, fotodrafitrasa na fanajariana, fambolena, fiompiana, jono, loharanon-karena voajanahary azo havaozina, fizahantany sy fiantranoana, indostria, fitantanana ny akora sy ny fako samihafa». Nalaina tao amin’ny didim-panjakana lah.98-782 Andininy faha-5 : « (…) Tsy misy mahazo mitonona ho tompony ny vokatra rehetra anaty ala eo ambany fiahin’ny sampan-draharahan’ny ala, raha tsy mahazo alalana avy amin’ny (…) misy fahazoan-dalana hitrandraka (…) ».

Mikasika ny fahafahana mampiasa sy ny fahazoan-dalana hikapa hazo Nalaina tao amin’ny didim-panjakana lah.87-110 : Mikasika ny tombontsoa azon’ny mpikambana ao anatin’ny fikambanana nentin-drazana misy ny hazo (fahafahana mampiasa) Andininy faha-3 : « Afaka mampiasa izany ireo mponina ao anatin’ny vondrom-paritra». Andininy faha-6 : « Tsy mila fangatahana mialoha ny fampiasana ny hazo ho an’ny: - Fandraofana hazo efa maty, voankazo na zava-maniry fihinana maniry ao anaty ala, - Fanangonana kitay handrahoana sakafo ao an-tokantrano ihany, tsy ao anatin’ny sokajy fahefatra sy fahadimy amin’ny lafiny fandrahoana» Andininy faha-7 : « Ny fakana karazan-kazo ao anaty ala, toy ny tahon-kazo lava, na ny ho ampiasaina amin’ny fanaovan-trano na fanarenana trano, lakana, valan’omby, dia tsy maintsy hanaovana fanambarana mialoha any amin’ny solontenan’ny sampandraharaha-panjakana misahana ny rano sy ny ala akaiky indrindra, izay manome fahazoan-dalana hikapa hazo maimaim-poana, tsy sandaina vola». Mikasika ny tombontsoan’ny tsy mpikambana ao anatin’ny vondron’olona nentin-drazana misy ny hazo (fahazoan-dalana hikapa hazo) Andininy faha-13 : « Ny fahazoan-dalana hikapa hazo dia omena ny olona na ny olon-tsy am-batana tsy ao anatin’ny vondron'olona nentin-drazana ».

Page 10: FIRAIKETANA IREO FEHEZAN-DALÀNA SADY ......1.2 Fanaraha-maso sy famaizana ny fandikàna ny lalàna mifehy ny faritra misy ala honko, ataon’ny tompon’andraiki-panjakana foibe sy

Ny fihariana ara-toekarena any amin’ny faritry ny ala honko

« TOERA-PIVELOMAN’NY TRONDRO, NY MAKAMBA ARY NY DRAKAKA NY ALA HONKO »

I. Araka ny didy fanapahana lah.18177/04 ny 24 septambra 2004, manazava sy mamaritra ny

faritr’ala saro-pady, ny fihariana amin’ny jono, ny fikarohana na fitrandrahana, indostrialy na madinika any amin’ny faritrala, toy ny ala honko dia tsy maintsy anaovana Fanadihadiana ny fiantraikany amin’ny tontolo iainana. Torak’izany koa ny Fehezan-dalàna mifehy ny Jono, mitaky ny hitandroana ny faritra saro-pady sy ny ala honko.

Nalaina tao amin’ny didy fanapahana lah.18177/04 Andininy faha-2 : « Ho fampiharana ny Didihitsivolana lah. 99-954 du 15 décembre 1999, mifandray amin’ny Fampifandrifiana ny fampiasam –bola amin’ny tontolo iainana (MECIE) sy ny fanintsiana azy, amin’ny fanaovana Fanadihadiana ny fiantraikany amin’ny Tontolo iainana ho an’ny asa fihariana rehetra, toy ny fikarohana na fitrandrahana, amin’ny fomba indostrialy na madinika, amin’ny sehatry ny ala, harena an-kibon’ny tany, fotodrafitrasa na fanajariana, fambolena, fiompiana, jono, loharanon-karena voajanahary azo havaozina, fizahantany sy fiantranoana, indostria, fitantanana akora sy fako samihafa any amin’ny faritrala rehetra saro-pady». Nalaina tao amin’ny Fehezan-dalana mifehy ny jono sy ny fihariana anaty rano Andininy faha 19 : « Misy ny fitsipi-dalàna mamaritra ny fepetra hiarovana ny zava-maniry sy ny biby anaty rano any amin’ny faritra saro-pady sy ny ala honko.

II. Ny lalàna lah.2015-053 ny 3 feborary 2016 mamaritra ny Fehezan-dalàna mifehy ny jono sy ny fihariana anaty rano dia mitaky ny olona manao ny seha-pihariana jono hanana fahazoan-dalana hanjono na fanomezan-dalana hanjono omen’ny Minisiteran’ny Jono.

Nalaina tao amin’ny Fehezan-dalàna mifehy ny Jono sy ny fihariana anaty rano Andininy faha-34 : « Ny fahafahana manjono any amin’ny fari-dranomasina voalazan’ny andininy faha-3 a) dia anjaran’ny Fanjakana malagasy, hany afaka manome alalana ny olona sy ny olon-tsy am-batana hanao izany asa izany ».

Page 11: FIRAIKETANA IREO FEHEZAN-DALÀNA SADY ......1.2 Fanaraha-maso sy famaizana ny fandikàna ny lalàna mifehy ny faritra misy ala honko, ataon’ny tompon’andraiki-panjakana foibe sy

« NY FARITRY NY ALA HONKO, TOERANA MAMPANDROSO NY ZAHAVOAHARY »

I. Ny didy fanapahana lah.18177/04 ny 24 septambra 2004 manazava sy mamaritra ny faritr’ala saropady dia mitaky fa ny asa fihariana mifandray amin’ny fizahantany any amin’ny faritr’ala saropady, toy ny ala honko, dia mila Fanadihadiana ny fiantraikany amin’ny Tontolo iainana.

Nalaina tao amin’ny didy fanapahana lah.18177/04 Andininy faha- 2 : « Ho fampiharana ny Didihitsivolana lah. 99-954 ny 15 desambra 1999, mifandray amin’ny Fampifandrifiana ny Fampiasam-bola amin’ny Tontolo iainana (MECIE) sy ny fanintsiana azy, dia tsy maintsy manao Fanadihadiana ny fiantraikany amin’ny tontolo iainana ny fihariana rehetra, toy ny fikarohana na ny fitrandrahana, na izany amin’ny fomba indostrialy, na madinika (nentin-drazana), amin’ny lafiny ala, harena an-kibon’ny tany, fotodrafitrasa na fanajariana, fambolena, fiompiana, jono, loharanon-karena voajanahary azo havaozina, fizahantany sy fiantranoana, indostria, fitantanana akora sy fako samihafa, vokatra ara-tsolika sy akora ambanin’ny tany, any amin’ny faritr’ala saro-pady».

II. Ny lalàna lah.95-017 ny 25 aogositra 1995 mamaritra ny Fehezan-dalàna mifehy ny Fizahantany, milaza fa ny olona misehatra amin’ny fizahantany dia mila manana fahazoan-dalana avy amin’ny Minisiteran’ny Fizahantany

Nalaina tao amin’ny Fehezan-dalana mifehy ny Fizahantany Andininy faha-13 : « Ny fanaovana ny asam-pihariana amin’ny sehatry ny fizahantany rehetra dia mila fahazoan-dalana mialoha avy amin’ny minisitera misahana ny Fizahantany ».

III. Ny Fehezan-dalana vaovao mikasika ny fitantanana ny Faritra arovana dia mitaky hanaovana fifanarahana mikasika ny fizahantany hoan’ny matihanina sy fifanarahana fitantanana eny ifotony ho an’ny mponina ao an-toerana

Nalaina tao amin’ny Fehezan-dalana mifehy ny Faritra arovana Andininy faha-43 : «Ny fifanarahana manana endrika ara-barotra sy mifandray amin’ny fihariana amin’ny fizahantany na hafa dia azon’ny mpitantana na ny olona na olona tsy am-bata,a atao, rehefa nahazo fankatoavana avy amin’ny minisitera misahana ny Faritra arovana ». « Anjaran’ny minisitera misahana ny Faritra arovana ny mandrafitra ny fehin-teny amin’ny fifanarahana manana lanja iraisam-pirenena na manan-danja lehibe». Andininy faha 49 : « Ny fifanaraham-pitantanana eny ifotony no mamaritra ny asa fiharian’ny vondron’olona eny an-toerana mikasika ny lafiny ara-toekarena, ara-kolontsaina, ara-pinoana sy mamaritra ny andraikitry ny vondron’olona ifotony amin’ny fitantanana ny Faritra arovana».

Page 12: FIRAIKETANA IREO FEHEZAN-DALÀNA SADY ......1.2 Fanaraha-maso sy famaizana ny fandikàna ny lalàna mifehy ny faritra misy ala honko, ataon’ny tompon’andraiki-panjakana foibe sy

« NY FARITRY NY ALA HONKO SY NY FITRANDRAHANA ALA »

I. Ny didy fanapahana laha.18177/04 ny 24 septambra 2004, manazava sy mamaritra ny faritr’ala

saro-pady, dia mitaky fa mila manana Fanadihadiana ny fiantraikany amin’ny Tontolo iainana ny asa fihariana amin’ny sehatry ny ala.

Nalaina tao amin’ny didy fanapahana lah.18177/04 Andininy faha- 2 : « Ho fampiharana ny didim-panjakana lah. 99-954 ny 15 desambra 1999, mifandray amin’ny Fampifandrifiana ny Fampiasam-bola amin’ny Tontolo iainana (MECIE) sy ny fanintsiana azy, dia mila manana Fanadihadiana ny Fiantraikany amin’ny Tontolo iainana ny fikarohana na fitrandrahana, amin’ny fomba indostrialy na madinika, amin’ny sehatry ny ala, harena an-kibon’ny tany, fotodrafitrasa na fanajariana, fambolena, fiompiana, jono, loharanon-karena voajanahary azo havaozina, fizahantany sy fiantranoana, indostria, fitantanana akora sy fako samihafa».

II. Ny didim-panjakana lah.98-782 ny 15 septambra 1998 mifandray amin’ny rafitra mikasika ny fitrandrahana ala dia mitaky ny olona manao ny fihariana mitrandraka ala tsy maintsy manana taratasy fahazoan-dalana hitrandraka omen’ny minisitera misahana ny ala

Nalaina tao amin’ny didim-panjakana lah.98-782 Andininy faha- 5 : « (…) tsy misy mahazo mitonona ho tompon’ny vokatry ny ala tsy ankanavaka raha tsy manana fahazoan-dalana nomen’ny (…) ».

Page 13: FIRAIKETANA IREO FEHEZAN-DALÀNA SADY ......1.2 Fanaraha-maso sy famaizana ny fandikàna ny lalàna mifehy ny faritra misy ala honko, ataon’ny tompon’andraiki-panjakana foibe sy

Ny fihariana sosialy any amin’ny faritry ny ala honko « NY ALA HONKO, TOERANA IPOIRAN’NY ZAVAMANIRY FIHINANA, NY ZAVAMANIRY FITSABOANA ARY NY HAZO FANDRAHOANA SY ILAINA AMIN’NY FANORENAN-TRANO

HO AN’NY MPONINA ENY IFOTONY »

Araka ny didim-panjakana lah.87-110, ny 13 martsa 1987, mamaritra ny fomba arahina amin’ny fitrandrahana ny ala, ny fanomezan-dalana hikapa hazo sy ny fahafahana mampiasa ny ala dia mitaky rafitra faritan’ny lalàna samihafa (tsy misy ny taratasy karakaraina, fanambarana mialoha, fanomezan-dalana hikapa, fahazoan-dalana hikapa) ho an’ny fisitrahana ny loharanon-karena arakaraka ny mpahazo tombontsoa (mpikambana na tsia ao anatin’ny vondrom-bahoaka nentin-drazana ahitana ny loharanon-karena)

Nalaina tao anatin’ny didim-panjakana lah. 87-110 : Mikasika ireo mpikambana ao antin’ny vondrom-bahoaka nentin-drazana misy ny loharanon-karena (fahafahana mampiasa) Andininy faha-3 : « Afaka mampiasa ny loharanon-karena ny mponina ao amin’ny vondrom-paritra ». Andininy faha-6 : « Tsy mila taratasy mialoha ny fampiasana ny hazo ho an’ny : - Fanangonana ny hazo maty, ny voankazo sy ny zavamaniry fihinana maniry anaty ala, - Ny fakana kitay handrahoana sakafo, tsy mahakasika ny karazan-kazo sokajy fahefatra sy ny fahadimy » Andininy faha- 7 : « Ny fakana karazan-kazo ao anaty ala, toy ny tahon-kazo lava, na ny ho ampiasaina amin’ny fanaovan-trano na fanarenana trano, lakana, valan’omby, dia tsy maintsy hanaovana fanambarana mialoha any amin’ny solontenan’ny sampandraharaha-panjakana misahana ny rano sy ny ala akaiky indrindra, izay manome fahazoan-dalana hikapa hazo maimaim-poana, tsy sandaina vola ». Mikasika ny tombontsoan’ny tsy mpikambana ao anatin’ny vondron’olona nentin-drazana misy ny hazo (fahazoan-dalana hikapa hazo) Andininy faha-13 : « Ny fahazoan-dalana hikapa hazo dia omena ny olona na ny olon-tsy am-batana tsy ao anatin’ny vondron'olona nentin-drazana ».

Page 14: FIRAIKETANA IREO FEHEZAN-DALÀNA SADY ......1.2 Fanaraha-maso sy famaizana ny fandikàna ny lalàna mifehy ny faritra misy ala honko, ataon’ny tompon’andraiki-panjakana foibe sy

Ny Fitsarana 1. Rafi-panjakana ka ny andraikiny dia:

Mampahafantatra ny zontsika. Mampanaja ny zontsika.

2. Rafi-panjakana mampiasa :

2.1. Mpitsara (juges ou magistrats) Mitovy ihany ny hevitry ny "magistrats" sy ny "juges". Manondro ny asa tazoniny ny « magistrat ». Manondro ny asa ataony ny « juge ».

2.1.1. Mpitsara mpamoaka didy (juge de sieges) Manonona ny didim-pitsarana ny Mpitsara mpamoaka didy (juges de sieges). 2.1.2. Mpampanoa lalana (procureur - juge debout tonia) Mangataka ny hampiharana ny lalàna manan-kery ny mpampanoa lalàna. Mitsangana izy ireo rehefa mandritra ny fandraisany fitenenana. 2.1.3. Mpitsara mpanao famotorana (juge d'instruction) Manangona sy mandalina ny zava-nisy rehetra manodidina ny raharaha ny mpitsara mpanao famotorana.

2.2. Ireo mpanampy (des auxiliaires) 2.2.1. Mpitantsoratra (greffiers)

Manotrona ny mpitsara ny mpitantsoratra. Mandrindra ny andraikitry ny tsirairay mandritra ny fotoam-pitsarana : Mandahatra ny raharaha mandalo fotoam-pitsarana : . Mandray an-tsoratra ny zava-mitranga rehetra ao anatin’ny boky firaiketana manokana antsoina « plumitif ». Mizara ny fandravonana ny firaiketana, ny zava-misy nandritra ny fotoam-pitsarana. Mizara ny dika mitovy ny fanapahan-kevitry ny fitsarana. Antsoina hoe «expeditive » ny dika mitovy mirakitra ny antontam-baovao ara-pitsarana rehetra. Antsoina hoe « grosse » ny didim-pitsarana tsy azo ivalozana.

2.2.2. Mpanao sora-to (notaires) Solontenam-panjakana sy ny minisitera ny mpanao sora-to, misahana ny fandrafetana, manamarina sy mitahiry ny trangam-pitsarana manana lanjany araka ny lalàna manokana. Andraikitry ny mpanao sora-to ny mandrafitra sy ny mikajy any anaty biraony ny antontan-taratasy tsy iadin-kevitra (authéntiques), toy ny: Taratasy fifampivarotana- Didy miafina- Fanolorana-Fanomezana alalana na fahefana, sns. Mpahay lalàna ny mpanao sora-to, mamita iraka misolo tena ny fahefa-panjakana mikarakara ny fifanarahana tsy iadin-kevitra ampandraiketin’ny mpanjifany. Mahaleo tena amin’ny fanatanterahany ny asany izy.

2.2.3. Vadintany (huissiers) Manamora ny asan’ny mpitsara ny vadintany. Mandrafitra ny firaiketana an-tsoratra (PV) aorian’ny fijerena ifotony ny zava-misy na ny zava-mitranga. Manan-jo hanontany ny vadintany : manao antso fanairana farany. Miantso ny olona hiatrika ny fitsarana: manao ny fanairana (assignations). Mangataka ny olona tsaraina hanatanteraka ny didim-pitsarana ny vadintany (mibaiko : commandement).

Page 15: FIRAIKETANA IREO FEHEZAN-DALÀNA SADY ......1.2 Fanaraha-maso sy famaizana ny fandikàna ny lalàna mifehy ny faritra misy ala honko, ataon’ny tompon’andraiki-panjakana foibe sy

2.2.4. Mpisolovava (avocats)

Manazava ny sain’ny mpitsara ny mpisolovava. Mandika ny hevitry ny zava-misy na tranga fantany mialoha ny hitaterany izany amin’ny lafiny lalàna. Miaro ny olona miatrika fitsarana. Mandresy lahatra ny mpitsara handray sy hankatoa ny fijeriny.

2.2.5. Teknisianina (techniciens) Miantso teknisianina maro ny mpitsara, toy ny : la justice fait intervenir plusieurs: - Ny mpandrefy tany. - Ny mpiasan’ny ala. - Ny mpitazona kaontim-bola sy ny mpahay vola. - Ny mpahay informatika. - Ny mpitsabo.

3. Mizara roa ny fiasan’ny rafi-pitsarana.

3.1. Mikasika ny ady ifanaovan’ny samy olon-tsotra. Ny fitsarana ady madio Ny fitsarana ady heloka

3.2. Ny fanoherana ny fanapahan-kevitry ny fanjakana. Ny fitsarana mikasika ny fitantanan-draharaham-panjakana Ny fitsarana ady amin’ny fanjakana

4. Rafi-pitsarana miandraikitra sehatra marobe. 4.1. Ny fitantan-draharam-panjakana sy ara-bola.

4.1.1. Ireo mpisehatra amin’ny dingana ara-panjakana. - Ny fanjakana. - Ny olom-pirenena na ny mpiasam-panjakana.

4.1.2. Anton’ny dingana ara-pitsarana. - Fanafoanana fanapahan-kevitry ny fanjakana. - Fampihantonana fanapahan-kevitry ny fanjakana.

4.1.3. Fangatahan’ny olom-pirenena. - Fanafoanana fanapahan-kevitry ny fanjakana. - Manome baiko hampihantona ny fanapahan-kevitry ny fanjakana.

4.2. Ny momba ny fitsarana (judiciaire). Ny teny hoe ny fitsarana misahana ny lalàna (« juridiction judiciaire » na « tribunal judiciaire") dia maniraka ny olom-pirenena hitondra ny raharaha eny amin’ny fitsarana ady heloka sy ny fitsarana misahana ny lalàna. 4.2.1. Ny ady heloka

Manasazy ny zavatra natao na ny fihetsika ny fitsarana ady heloka. Mamaritra ny fihetsika tsy azo atao, voararan’ny lalàna ny Fehezan-dalàna famaizana. Lazaina hoe “tsy eken’ny fiarahamonina” ny fihetsika voararan’ny lalàna. 4.2.1.1. Ireo mpisehatra amin’ny fitsarana ady heloka.

Ny fampanoavana – ny fakana am-bavany – ny mpampanoa lalàna. Ny mpitory, andaniny « mpitoroka ». Ny olona « voakasika », ny olona « enjehina » na ny « voampanga ».

Page 16: FIRAIKETANA IREO FEHEZAN-DALÀNA SADY ......1.2 Fanaraha-maso sy famaizana ny fandikàna ny lalàna mifehy ny faritra misy ala honko, ataon’ny tompon’andraiki-panjakana foibe sy

4.2.1.2. Ny anton’ny raharaham-pitsarana.

Fihetsika voarara iray na maromaro. 4.2.1.3. Ny fangatahan’ny fampanoavana.

Manenjika ny fihetsika voarara. Mangataka ny hampiharana ny lalàna.

4.2.1.4. Ny fangatahan’ny mpitory. Manasazy ny « olona enjehina » na ny « voampanga » hanarina ny hadisoana nataony (lamandy sy onitra).

4.2.2. Ny ady madio IREO MPISEHATRA AMIN’NY FITSARANA ADY MADIO

Ny mpangataka. Ny miaro-tena. Ny mpisehatra Ny mpisehatra manolo-tena Ny mpisehatra antsoina

ANTON’NY FOMBAM-PITSARANA ny zo omen’ny lalàna ny mpangataka.

NY FANGATAHAN’NY MPANGATAKA. Mahatsapa fa manome azy ny zony ny lalàna. Mahatsikaritra ny mpangataka tsy nanaja ny zony ny andaniny miaro-tena. Mahatsikaritra ny mpangataka fa niharan’ny tsy fanarahan-dalàna. Mangataka handraisana fepetra ny mpiaro-tena. Manameloka ny mpiaro-tena hanarina ny tsy fanarahan-dalàna nataony.

5. Rafi-pitsarana mandeha isan’ambaratongany.

Dingana voalohany: ny fitsarana ambaratonga voalohany (ho an’ny lafiny lalàna ara-pitsarana); ny fitsarana ara-pitantanana sy ara-bola (ho an’ny lafiny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny ara-bola). Dingana faharoa: ny fitsarana ambony (ho an’ny lafiny lalàna ara-pitsarana) ; ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana (ho an’ny lafiny fitantanan-draharaham-panjakana)

6. Ny zavatra iraisan’ny ady heloka, ny ady madio, ny ady amin’ny fanjakana

6.1. Tsy manomboka raha tsy avy amin’ny antontan-taratasy ampidirina anyamin’ny fitsarana

- Taratasin’ady sy/na fitoriana 6.2. Tsy azo raisina raha tsy ahitana hevitra mifanohitra izay samy raisina avokoa amin’ny alalan’ny

- Adi-hevitra - fitarainana - Fehiteny

6.3. Faranana ny asa amin’ny alalan’ny fanapahan-kevi-pitsarana. - Didim-pitsarana (jugement). - Didy (arret).

Page 17: FIRAIKETANA IREO FEHEZAN-DALÀNA SADY ......1.2 Fanaraha-maso sy famaizana ny fandikàna ny lalàna mifehy ny faritra misy ala honko, ataon’ny tompon’andraiki-panjakana foibe sy

7. Ny ady heloka

- Ny ady heloka dia miseho amin’ny endrika fanenjehana ara-pitsarana sy ny didim-pitsarana araka ny lalàna. - Ny fanenjehana araka ny lalàna dia mandray ny vaovao : ny fihetsika voarara nitranga. - Ny fanenjahana araka ny lalàna dia manamarina, mampitovy ny zava-nitranga samihafa. - Rehefa voamarina ny zava-nisy: afaka manenjika izy, faritany ny vontoatin’ady na ny loham-piampangana. 7.1. Ny fanenjehana araka ny lalàna

Mitarika ny fanenjehana araka ny lalàna ny tonia voalohany mpampanoa (procureur general). Ny tena andraikitra ataon’ny fanenjehana araka ny lalàna dia: - Manamarina ny fahamarinan’ny vaovao voarainy. - Maniraka ny manamboninahitra ara-pitsarana na « officiers de police judiciaire/OPJ » (zandary, polisy, olom-panjakana hafa na teknisianina manana ny fahaiza-manao). - Mandray ny tatitry ny OPJ avy nanamarina. - Manome alalana hanaovana famotorana fanampiny (arakaraka ny zava-misy). - Mamaritra ny loham-piampangana (raha ilaina) na manakatona mampiato ny raharaha ho tsy misy tohiny (rehefa tsy ampy ny vesatra). - Manatrika ny ady hevitra mandritra ny fotoam-pitsarana, manao fitakina (réquisitions).

7.2. Ny fitsarana famotorana Mba isorohana ny hadisoana mandritra ny fanenjehana : ilaina indraindray ny fandalinana bebe kokoa ny tena zava-nitranga notaterina. Amin’izay fotoana izay, angatahan’ny mpampanoa lalàna ny mpitsara mpanao famotorana ny hanaovana fanadihadiana lalindalina kokoa. Mandinika bebe kokoa ny raharaha ny mpitsara ny raharaham-pitsarana ka lasa mpitsara mpanao famotorana koa izy. Amin’ny ankapobeny, raisin’ny mpitsara tsirairay avy hatrany ny andaniny sy ny ankilany aorian’ny fangatahan’ny mpampanoa lalàna ny hanaovana izany. Manokatra fanadihadiana hafa izy ary lasa mahalala bebe kokoa ny raharaha. Aty aoriana, antsoiny ireo mpisehatra hatao famotorana lalina kokoa.

7.3. Ny antokom-pitsarana mitsara Azon’ny besinimaro atrehina ny fotoam-pitsarana karakarainy. Mihaino ny fanazavana sy ny fitakin’ny fampanoavana. Mipetraka eo amin’ny toerana arakaraka ny zava-misy taterin’ny mpitory. Mandray fanapahan-kevitrat manameloka na mamotsotra ny voampanga. Mitaky lamandy sy onitra raha meloka ny voampanga.

Page 18: FIRAIKETANA IREO FEHEZAN-DALÀNA SADY ......1.2 Fanaraha-maso sy famaizana ny fandikàna ny lalàna mifehy ny faritra misy ala honko, ataon’ny tompon’andraiki-panjakana foibe sy

8. Ny ady madio

8.1. Ny antokom-pitsarana mitsara

8.1.1. Ny fangatahana Atao an-tsoratra ny taratasy fangatahana, ahitana ny anton’ny fangatahana fitsarana.

8.1.2. Ny laharana (enrolement) Tsy maintsy voaisa ny raharaha mandalo ao amin’ny fitsarana, ka samy manana ny laharany avokoa ny antontan-taratasy voaray rehetra.

8.1.3. Ny fehiteny Samy manao ny fehiteniny an-tsoratra avokoa ny andaniny sy ny ankilany maneho ny heviny avy.

8.1.4. Ny fanapahan-kevitra. Mandray fanapahan-kevitra mamoaka didy ny fitsarana rehefa samy tsy manan-kolazaina intsony ny andaniny sy ny ankilany. - fanapahan-kevitra samihafa mialoha ny hamoahana ny Didy (décision avant dire droit) - ny didim-pitsarana :

- didim-pitsarana avoakan’ny ambaratonga voalohany - didim-panjakana avoakan’ny fitsarana ambony

9. Ny ady amin’ny fitantanam-draharaham-panjakana sy ny ara-bola 9.1Antokom-pitsarana amin’ny vontoatiny

Ny fitsarana ny raharaham-panjakana na ny fitsarana ara-bola dia mandray ny fitarainana an-tsoratra. Mampandreny sehatra voakasika rehetra. Mifanakalo ny heviny avy amin’ny alalan’ny fehinteny na ny firaiketana izy ireo. Manendry mpampakateny iray. Miantso ny mpisehatra voakasika hanatrika ny fotoam-pitsarana azon’ny rehetra atrehina.

9.2 Ny dingana famotorana Manadalina sy mamakafaka ny raharaha ireo mpitsara, mba ahalalany bebe kokoa ny tena zava-misy. Io no antsoina hoe « dingana famotorana ».

Page 19: FIRAIKETANA IREO FEHEZAN-DALÀNA SADY ......1.2 Fanaraha-maso sy famaizana ny fandikàna ny lalàna mifehy ny faritra misy ala honko, ataon’ny tompon’andraiki-panjakana foibe sy

Tsara ho fantatra A. Karazana heloka – type d’infraction

- Contravention : Heloka madinika - Délit : Heloka tsotra - Crime : heloka bevava

B. Heloka - ara-javaboahary - Infraction forestière

- Natiora - biodiversité - Ala - forêts - Haza - chasse - Jono - pêche

Fanazavana - Manapaka / Mikapa : coupe / abattage / défrichement - Mitatitra / mamindra toerana : transport / déplacement - Manondrana / manafatra : exportation / commande - Mihazona / miompy : détention / animal de compagnie - Mampiranty : exposition - Misera / mividy / mivarotra sy maka tombony (tsy manana alalana) : demarche / achat / vente - Mamono / Mihinana : massacre / tué / consommation

C. Mampiavaka ny heloka ara-javaboahary :

1. Ny mpiasan’ny RANO sy ALA dia isaina ho «mpanenjika MPANAO FAMOTORANA» 2. Ny mpiasan’ny FADIN-TSERANANA dia isaina ho «mpanenjika MPANAO FAMOTORANA» 3. Ireo dia MITOVY LENTA amin’ny OPJ tanisain’ny Fehezan-dalàna PAIKA ADY HELOKA, toy ny :

- Chef service SÉCURITÉ et POLICE - Komisera , Commandant de Brigade (CB) - Zandary Manam-boninahitra / Officier de Gendarmerie / Zandary Chef de Poste. - Sous-préfet, Chef d’arrondissement,

4. Ny firaketana (PV) sy ny lanjany. - Sora-tò tsy azo iodivirana.

5. Ny olona mandray anjara. - Afaka mifandrimbona (Rano sy ala + Polisy). - Afaka manohitra ny PV ny olona enjehina.

6. Ny fetr’andro anenjehina. - Malaky no tanjona.

D. Voambolana – terminologies

- Fitsaràna / Tribonaly : tribunal - Mpitory / Mpangataka : demandeur - Toriana / Mpiaro-tena : défendeur - Toroka : Dénonciation - Fitoriana : Plainte

Page 20: FIRAIKETANA IREO FEHEZAN-DALÀNA SADY ......1.2 Fanaraha-maso sy famaizana ny fandikàna ny lalàna mifehy ny faritra misy ala honko, ataon’ny tompon’andraiki-panjakana foibe sy

Ny fifandraisan’ny fiharian’ny olombelona sy ny lafiny toetr’andro ary ny tsy mahakasika ny toetr’andro

NY FOMBA FIASANY

ANTONY MANIMBA NY ALA HONKO 1. Ny fitsitokotokoana An-taonina maro isan-taona ny tany tokony ambolena very entin’ny riaka mivarina any an-dranomasina, vokatry ny fanapotehana sy ny fandoroana ny zava-maitso mandrakotra ny tany avy any an-tanety. Vokatr’izany fihotsahan’ny nofon-tany mihoampampana izany, miforona ny fitsitokotokoan’ny tany, mitarika tsy fifandanjana ara-voajanahary ny ala honko (tototry ny antsanga sy ny fasika), mitarika ny faharinganana sy fahapotehan’ny harena anaty rano. . 2. Fitrandrahana tsy ara-dalàna sy tafahoatra, Noho ny karazan-kazo honko mafy sady mateza ary mahatanty rano, maro ny olona mampiasa azy hanorenan-trano, atao fefim-boly (baiboho), ary hatao valan’omby. 3. Fanitarana ny famokarana sira Tandindomin-doza ny ala honko vokatry ny fitrandrahana sy famokarana sira. Maro ny faritra misy ala honko entina hamokarana sira. 4. Ny kijanan’ombytafahoatra Anisan’ny manapotika haingana ny ala honko ny fanaovana kijanan’omby tafahoatra azy ireny. Ohanin’ny omby ny zana-kazo honko eny amin’ny sisin-drano, ka tsy afaka mitombo intsony. 5. Mihena ny sisin-dranomasina Tsy mitsaha-mihemotra ny sisin-dranomasina, vokatry ny fikahon’ny ranomasina, mampihena ny mmorontsiraka. Tototry ny fasika sy ny fotaka ny halalin’ny ala honko ary miha foana tsikelikely ny fisiany, mampifandanja ny fiovaovan’ny haavon’ny ranomasina (chenaux de marée).

6. Tototry ny fasika Mandoto ny lokon’ny ala honko ny fatotoran’ny fasika azy ary manimba ny hatevin’ny ala honko.

Page 21: FIRAIKETANA IREO FEHEZAN-DALÀNA SADY ......1.2 Fanaraha-maso sy famaizana ny fandikàna ny lalàna mifehy ny faritra misy ala honko, ataon’ny tompon’andraiki-panjakana foibe sy

7. Fikapana ny ala hono avadika tanimbary Maro ny ala honko kapain’ny olombelona mba avadika ho tanimbaryCertaines zones de mangrove sont déboisées pour être converti en rizière 8. Ny fanjonoana Manapotika ny ala honko ny fampiasan’ny olombelona ny zavamaniry misy poizina toy ny « Euphorbia laro », ampisainy amin’ny fanjonoana eny amin’ny ala honko.

LALANA FANAMPINY SY FITSIPIKA Lalàna mikasika ny ala

Didim-panjakana 1998-782 Rafitra mikasika ny fitrandrahana ala Didim-panjakana 1987-110 mamaritra ny dingana fitrandrahana ny ala, ny fahazoan-dalana hikapa hazo ary ny fahafahana mampiasa azy. Didim-panjakana 2004-167 manova ny didim-panjakana 99-954-MECIE Didy fanapahana 18177-2004 mikasika ny faritra’ala saropady. Didy fanapahana 32100-2014 mikasika ny fandraràna ny fitrandrahana ny hazo any amin’ny ala honko eto amin’ny firenena.

Fitantanana ny harena anaty rano

Didy fanapahana 4355-1997 : Fanazavana sy famaritana ny faritra saro-pady. Didim-panjakana 1999-954 Didim-panjakana MECIE Didim-panjakana 2004-167 manova ny didim-panjakana 99-954_MECIE Didy fanapahana 32100-2014 mikasika ny fandrarana ny fitrandrahana ny hazo eny amin’ny ala honko eto amin’ny firenena. Lalàna 2015-053 Fehezan-dalàna mifehy ny jono sy ny fihariana anaty rano. Didim-panjakana 2015-629 manangana ny Vomiera nasionaly ho fitantanana andraisan’ny rehetra anjara ny ala honko.

Lalàna mikasika ny didy famaizana

Didy fanapahana 32100-2014 mikasika ny fandrarana ny fitrandrahana ny hazo eny amin’ny ala honko eto amin’ny firenena. Didihitsivolana 1962-052 mamaritra ny Fehezan-dalàna famaizana malagasy Lalàna 2016-017 manova andininy vitsivitsy ny ao anatin’ny Fehezan-dalàna famaizana tamin’ny taona 2016. Lalàna 2017-013 manova andininy vitsivitsy ao anatin’ny Fehezan-dalàna famaizana tamin’ny taona 2017.

Lalàna mikasika ny fananan-tany

Lalàna 2005-019 mikasika ny sata mifehy ny tany Vondrom-paritra itsinjaram-pahefana (CTD)

Lalàna 2014-018 mamaritra ny fahefana, ny fomba fandaminana ary ny fomba fiasan’ny CTD. Lalàna 2014-020 mifandray amin’ny loharanom-bolan’ny CTD.

KARAZANA FIRAIKETANA - PV 1. Fangatahana hanao fianianana 2. Fitakiana ny fahefam-panjakana 3. Firaiketana ny zava-misy teny ifotony sy ny famotorana 4. Firaiketana ny fanagiazana (saisie)

Page 22: FIRAIKETANA IREO FEHEZAN-DALÀNA SADY ......1.2 Fanaraha-maso sy famaizana ny fandikàna ny lalàna mifehy ny faritra misy ala honko, ataon’ny tompon’andraiki-panjakana foibe sy

5. Firaiketana ny fanagejana (séquestre) 6. Fitakiana fampidirana « fourrière » 7. Firaiketana ny fanambarana ataon’ny vavolembelona 8. Firaiketana ny fiantsoana ara-pitsarana

TARATASY ATAON’NY MPITANDRAHARAHA MPANENJIKA 1. Fehinteny 2. Fangatahana araka ny lalàna hanaovana lavanty 3. Firaiketana ny fanokafana ny antso tolo-bidy 4. Taratasy antso tolo-bidy

Antony Tompon’andraikitra Taratasim-panjakana Hiantefany sy fe-potoana

Fanoratana an-taratasy ny tranga fandikan-dalàna mampiseho ny lanjany sy ny voka-dratsiny naterany, ny olona nanao azy, …

Ny mpiraki-teny: tsy maintsy azony antoka fa voarakitra ao anatin’ny taratasy firaiketana nosoratany ny fandikàn-dalàna tena nitranga.

Ity no antontan-taratasy fototra iaingan’ny fanenjehana any amin’ny fitsarana. Miankina amin’ity firaiketana (PV) ity ny ampahany betsaka hivoahan’ny didim-pitsarana...

Ny mpampanoa lalàna

Page 23: FIRAIKETANA IREO FEHEZAN-DALÀNA SADY ......1.2 Fanaraha-maso sy famaizana ny fandikàna ny lalàna mifehy ny faritra misy ala honko, ataon’ny tompon’andraiki-panjakana foibe sy

Laharana maitso AVG 512 azo antsoina maimampoana (Orange sy Airtel).