16
GAZETY MIVOAKA ISAKY NY TELO VOLANA lah 040 Ho hitanao ato: MIOITRA Gazety boky FANohanana ireo Orinasa Iraisan’ny Tantsaha Rehetra eny Ambanivohitra FIFAMPIZARANA TOROLALALA HO FIJOROANA FAMPIVOARANA SEHATRASA FIHARIANA VAVOLOMBELONA TRAIKEFA Asa fihariana tsara tantana, mitondra fivoarana ho an’ireo tantsaha eny ambanivohitra

Gazety boky MIOITRA...Ho ahy manokana betsaka ireo lesoka teo amin’ny fiainako: ny tsy fahampiana vola, ny fisian’ny aretina tamin’ny gana, ny fikorontanana teo amin’ny fitantanako

  • Upload
    others

  • View
    4

  • Download
    1

Embed Size (px)

Citation preview

Page 1: Gazety boky MIOITRA...Ho ahy manokana betsaka ireo lesoka teo amin’ny fiainako: ny tsy fahampiana vola, ny fisian’ny aretina tamin’ny gana, ny fikorontanana teo amin’ny fitantanako

G A Z E T Y M I V O A K A I S A K Y N Y T E L O V O L A N A l a h 0 4 0

Ho hitanao ato:

M I O I T R AGazety boky

FANohanana ireo Orinasa Iraisan’ny Tantsaha Rehetra eny Ambanivohitra

FIFAMPIZARANA

TOROLALALA HO

FIJOROANA

FAMPIVOARANASEHATRASA FIHARIANA

VAVOLOMBELONA

TRAIKEFA

Asa fihariana tsara tantana,mitondra fivoarana ho an’ireo tantsaha eny ambanivohitra

Page 2: Gazety boky MIOITRA...Ho ahy manokana betsaka ireo lesoka teo amin’ny fiainako: ny tsy fahampiana vola, ny fisian’ny aretina tamin’ny gana, ny fikorontanana teo amin’ny fitantanako

Talen’ny famoahana:RATSIMANDRESY Vladmir

Tonian’ny lahatsoratra:RAMAHAVERIAVONA Erricko

RAZAFIMAHATRATRA Tsanta N.

Nanatontosa:FANOITRA BONGOLAVA

FANOITRA BOENYFANOITRA SOFIA

Nanoratra sy nandrindra ny pejy:RAZAFIMAHATRATRA Tsanta N.

SaryFAMPIONONA Joastin

Tranoprinty:Mega Print

Dépôt légal: Novambra 2017

Isan’ny natonta: 4500

[email protected]: Programme PROSPERER

www.prosperer-madagascar.mg

Laharana 040 Taona 2019

Ireo fifandraisana mahakasika ny FandaharanasaIreo rohy ahafahanao manaraka ny vaovaon’ny Fandaharanasa

Programme PROSPERER

www.prosperer-madagascar.mg

Programme PROSPERER

2

Page 3: Gazety boky MIOITRA...Ho ahy manokana betsaka ireo lesoka teo amin’ny fiainako: ny tsy fahampiana vola, ny fisian’ny aretina tamin’ny gana, ny fikorontanana teo amin’ny fitantanako

I raika ambinifolo taona izay no niasan’ny Fandaharanasa FANOITRA; izay Fandaharanasa eo ambany

fiahian’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono. Faritra 9 amin’izao no iasana raha toa ka 5 no niandohana ny taona 2008. Ny taona 2021 no fe-potoana farany iasan’ny Fandaharanasa. Hatreto, 65 872 isa ireo orinasa nahazo tohana, 6 942 ireo tanora tafiditra anatin’ny sehatry ny asa, 11 958 ireo mpamokatra voatohana ara-pitaovana manaraka toetr’andro ary 393 ny fampivadiana ara-barotra vita teo amin’ny vondron’ny mpamokatra sy ny mpandraharaha ara-barotra. Ireo no efa vita fa mbola betsaka ireo miandry: ny fanamatihanina ireo vondron’ny mpamokatra toy ny Vovonan’ny mpamokatra, ny Fikambanana, ny Koperativa,... eo ihany koa ny fampahombiazana ny fotodrafitr’asa rehetra natsangana, ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasan’ny fampiasam-bola tsy miankina amin’ireo orinasa madinika mpamokatra. Betsaka ireo efa nahazo tombontsoa amin’ny tohana nomena, araka ireo tarehimarika etsy ambony ireo, ary isan’ireny ireto santionana orinasa madinika na fikambanana na kaoperativa entina ato amin’ity gazety boky fifandraisantsika ity. Tantaram-piainana, ireo dingana narahina ahatongavana amin’ny

fahombiazana, fizarana traikefa sy torohevitra maro amin’ny fiatrehana olana sy ny sisa, niainan’ireo orinasa madinika, ireo no ho hitanao ato amin’ity gazety boky ity.Tsy mitazona ho azy ny fahalalana voaray, ho azy manoka, ireo orinasa madinika ireo fa tia mizara amin’ny hafa mba hifampizarana ny mety hahasoa ny hafa. Ny mpandraharaha rahateo mila mahay mizara amin’ny hafa. Toa izany ny Kaoperativa TAMIA ao Ankaraobato Ambatoboeny izay mizara sy miara-miasa akaiky amin’ny mponina manodidina mba hampandroso ny fivarotana ny vokatra. Toa izany koa i Lova ao Antoby Est izay nitady mpiara-miasa aminy mba ho fanomezana asa ireo namany. Tsy hary ho voatanisa eto fa manasa anao izahay handray sy hamaky azy. Mirary anao hahita soa amin’ny fandraisanao ity gazety boky ity.

MATOANDAHATSORATRA

3

Page 4: Gazety boky MIOITRA...Ho ahy manokana betsaka ireo lesoka teo amin’ny fiainako: ny tsy fahampiana vola, ny fisian’ny aretina tamin’ny gana, ny fikorontanana teo amin’ny fitantanako

Miteraka filaminana ho an’ny tokatranoko ny fanampiako ny vadiko amin’ny fampidiram-bola ao an-trano.

Ao Tanambao Kaominina Befotoana no mipetraka i RAZAFINDRAVOLA

Bernardine na i Vola. Manambady ary manan-janaka mianadahy. Hatreo amin’ny kilasy faha 7 ihany no tratran’i Vola tamin’ny fianarana. Na izany aza mahavelona tsara azy ny asa fivelomany amin’izao. Raha 40.000 ariary isaky ny 3 na 4-bolana ny vola tantanin’i Vola teo aloha, izao efa mikirakira farafahakeliny 400.000 ariary isan-taona amin’ny fiompiana gana fotsiny. Betsaka ny sedra nolalovany hatramin’izao kanefa tsy nahavita nanakivy an’i Vola izany. Ndao arahina amin’ny alalan’ity lahatsoratra ity ny fitantarany ny lalana nodiaviny. «Nahavita ny kilasy faha 7 aho no nijanona tsy afaka nanohy fianarana intsony. Lavitra ny Tanana nisy ahy tao Befotoana ny sekoly ahafahako manohy ny kilasy faha 8 nefa koa tsy nanana vola ahafahana manohanana ahy intsony Dada sy Neniko. Nanomboka teo dia nivarotra sakafo masaka tao Befotoana no nataoko. Ny taona 2011 aho no nanambady ary najanona ilay fivarotana hani-masaka fa niditra tamin’ny asa fambolena sy fiompiana amin’izay. Ny zava-nisy, rehefa miakatra ny varinay vao hita ny fivoarana ary eo vao manararaotra mividy zanaka gana hompiana. Rehefa lehibe ka namidy ny gana dia miandry telo volana na efa-bolana mihitsy aza vao afaka mividy zanaka gana indray. Tsy nisy nianatra manokana na tamin’ny fiompiana sy fambolena na ny fitantanana sns izahay mivady fa miezaka mandamina araka izay fahaizanay azy. Ny taona 2016, naheno fanentanana ny tanora nataon’ny FANOITRA tety aminay mba hampananan’asa ny tanora sy mba hanatsarana ny fari-pianan’ny tanora aho. Efa nanana fahavononana tsara aho ary efa iainako rahateo ilay fiompiana. Dia niatrika fiofanana mahakasika fikarakarana zana-borona manomboka kely hatramin’ny izy lehibe. Rehefa nazava tamiko tsara

entiko eny dia tsy maintsy lafo foana. Volana febroary no manararaotra mividy zana-borona indray satria mora izy amin’io. Nisy fotoana nisy aretina namono ny ganako tato tamin’ny taona 2017. Nisy maty maromaro. Tsy nataoko nahakivy anefa fa tamin’ny fampidirana gana taorian’io dia noezahiko nampanarahina tsara amin’ny ara-dalana ny vaksiny. Hatreto tsy dia nisy aretina nanimba ny fiompiko. Tadidiko koa tamin’ny taona 2018 teo, nila vola 100.000 ariary izahay hanaramana mpanetsa, gana 10 no noheritreretina hamidy kanjo tafiditra tamin’ny fotoana nahamora ny vidin’ny gana ka kely sis any gana afaka nompiana avy eo fa namidy avokoa. Niandry fotoana kely aho ka rehefa niakatra ny vary dia nividy gana 50 isa nanorenako azy. Isan-taona farafahakeliny 400.000 ariary ny vola matiko amin’ity gana ity. Isan-taona koa izahay mivady dia miezaka manangan-javatra. Tamin’iny taona 2017 sy 2018 iny izao dia efa omby 2 no novidianay. Mifanampy betsaka amin’ny fambolem-bary ataonay koa io fiompiana gana io. Raha hanetsa ohatra izahay ka mila vola, dia mankany antsena mivarotra gana 10 ohatra mba entina anaovana asa eny an-tsaha. Tsapako hoe mifameno tanteraka ny fambolena sy ny fiompiana, ny vokatry ny fambolena

ny io fiofanana io dia niditra tamin’ny fiofanana momba ny fitantanana indray. Vita izay dia nahazo zana-borona miiisa 20 nampiharana ny fiofanana sy nanombohana amin’izay ny fiompiana ara-teknika. Dia tena hitako ny fihavahan’ny fiompiako taloha sy ny fiompiako vaovao. Efa nisy vorona efa nompiako koa tato dia nohatsaraiko tamin’ny alalan’ilay fiofanana azoko. Tamin’ireo gana 20 azoko ireo, nisy 5 maty. Rehefa tonga ny 4-bolana dia nalefako namidy izy rehetra, ny vidiny indray no nahafahana nividy zana-borona gana 30 isa efa 3 volana. Afaka telo volana taorian’ny nividianako azy, izany hoe feno 6 volana ny gana dia nampanatodizina ary nanomboka nampikotrika koa aho. Ankoatry ny fampikotrehana dia nanomboka nivarotra atody koa. Mety isan-kerinandro na isan-tapabolana arakarak’izay ilàna vola no ivarotana azy. Atody 30 isa isaky ny mivarotra ary 500 ariary no nivarotako ny iray.Manatavy gana koa aho fa ezahiko mba ho ny volana ahitana fety no amoahako azy: ny volana desambra sy janoary ary ny jona. Amin’ireo volana ireo mantsy no maha lafo ny vidin’ny gana noho ny fisian’ny fety. Raha 15.000 ariary ny vidin’ny gana iray amin’ny andavanandro dia tafakatra 20.000 ariary na mihoatra rehefa fety. Eny Amboromalandy ny tsena famoahako ny gana ary izay

Vola 4 mianaka

PRO

SPER

ER 2

019

4

Page 5: Gazety boky MIOITRA...Ho ahy manokana betsaka ireo lesoka teo amin’ny fiainako: ny tsy fahampiana vola, ny fisian’ny aretina tamin’ny gana, ny fikorontanana teo amin’ny fitantanako

Laharana 040 Taona 2019

afaka anohanana ara-tsakafo ny gananay nefa ny gana ihany koa azonay ahazoana vola hampandehanana ny fambolena toy ny vary. Atoato zao rehefa miakatra eon y vary dia manana heritreritra indray hivarotra vary 4 gony ahafahanay mividy gana 50 isa.Mampirehareha ahy ny fahafahako mampidi-bola manampy ny vadiko. Teo aloha tsy nampidi-bola fa mitaiza, niompy ihany fa tsy nisy vola nampidiriny. Izao aho tsy lany andro, afaka miandry vorona, avy eo mifanampy ato an-tokatrano. Taloha, miala tato an-trano aho ny maraina dia tsy mipody raha tsy rahampitso

Tamin’ny taloha tsy tao anatin’ny saiko mihitsy izany hoe hahazo omby izany, nefa dia manana aho ankehitriny. Tena hitako nisy fivoarana ara-tsaina mihitsy. Lasa nanana tanjona dia nikaroka hevitra hanatrarako azy dia tanteraka dia nahazo vokatra. Efa manana ity trano ity izahay fa ny vinako izao mba te hanana trano vato fa te hiala amin’ny trano bozaka. Efa miezaka ny manampitombo tsikelikely ny fiompiana izahay amin’izao mba ahafahanay manatratra izany. Raha toa mantsy ka mampiditra gana 100 isaky telo volana eo, miampy ireo atody amidy sy zanaka gana nampikotrehina dia tsy maintsy ho tratra io vinanay io. Ho antsika vehivavy tanora mitovy amiko, vehivavy isika ka tsy tokony ho kivikivy izany. Ny tokatrano sy ny fihariana tsy ilaozan’olana izany. Miezaha hatrany fa aza atao antsirambina ilay fiofanana efa norantovina. Ho ahy manokana betsaka ireo lesoka teo amin’ny fiainako: ny tsy fahampiana vola, ny fisian’ny aretina tamin’ny gana, ny fikorontanana teo amin’ny fitantanako vola sy ny fitantanako ny gana fa tsy nataoko nahakivy satria tena nahitako soa ity asako ity. Manentana antsika hiezaka hatrany satria ho tombontsoa ho antsika io fa tsy ho an’iza akory.»

maraina. Izao lasa tsy mahaliana ahy ny handehandeha any fa efa misy asa mampiasa ny fotoanako. Tsy tiako ny mampiasa olona fa hafa ihany izany hoe izaho tompony no mikarakara azy sy manome sakafo ary mampisaika azy. Tsapako ny fivoarana teo amin’ny fiainako, taloha tsy nanana vorona mihoatra ny 10 izany satria nimpiompy fahatany. Izao efa nahazo fiofanana dia efa hay ny hoe firy no tokony hamidy, firy no tokony ampanatodizana sy ampikotrehana, manao ahoana ny fitantanana ny sakafo sns ahafahana mitsinjo vodiandro mierika.Tena mahavelona ity asako ity.

Nanavotra ahy tamin’ny fahasahiranako ny fanapahako hevitra hisehatra amin’ny zaitra

Niasa nandanja zaza tamin’ny Sécaline ny asan’i Lova

nanomboka ny taona 2009 hatramin’ny 2011, Efa nanambady izy tamin’izay ary nanan-janaka iray. 60.000 ariary isam-bolana ny karama kanefa nisy herin-taona ihany koa tsy nandray mihitsy. Mpamboly no asan’ny vadiny. Rehefa niala tao amin’ny Sécaline dia niasa nivarotra sakafo masaka indray. Tsy nahitana tombony io varotra io sady tsy nahavelona satria efa niakatra roa indray ny zanak’izy mivady. Tonga tao an-tsaina ny hoe aleo manao asa tanana. Indray andro nisy raharaha nokarakaraina ka nanatona Ramatoa iray mpanjaitra ao Manazary na i Ramatoa Berthe hampanjaitra akanjo. 30.000 ariary no noteneniny hanjairana «costume» iray. Nanaitra Matetika i Lova (havanana) ihany no mandeha mividy ravin-damba any Isotry ialana

amin’ny tsy fietezan’ny lamba amin’ny kaomandin’ny mpanjifa

PRO

SPER

ER 2

019

Mifameno tsara amin’ny fambolem-bary ny fiompiana gana. Ny apombo no sakafo fototry ny ganan’i vola

PRO

SPER

ER 2

019

5

Page 6: Gazety boky MIOITRA...Ho ahy manokana betsaka ireo lesoka teo amin’ny fiainako: ny tsy fahampiana vola, ny fisian’ny aretina tamin’ny gana, ny fikorontanana teo amin’ny fitantanako

Laharana 040 Taona 2019an’i Lova ny naheno ny vidin’ny mampanjaitra ilay « costume » dia nanapa-kevitra ny handeha hianatra hanjaitra. Ny taona 2016, tafiditra tamin’ny andiany mpianatra zaitra niarahaka tamin’ny Fandaharanasa FANOITRA i Lova. Vita ny fiofanana dia nanao fizaran’asa tao amin’i Ramatoa Berthe, izay nampiofana azy ihany tany Manazary. Nandray vola arakaraky ny zavatra vita i Lova tamin’izay: zipo 3.000 ariary, palitao 4.000 ariary... Tsy nijanona hatreo fa sady nanao fizaran’asa no niezaka nampahafantatra olona teny min’ny manodidina ny fahaizany manjaitra. Rehefa fantatr’olona dia nanangana toeram-piasana teny Antoby amin’izay, izay toerana fonenan’i Lova. Ny toerana niasana no niova fa mbola sady nanohy ny asany tao amin’i Ramatoa Berthe ihany izy. Nahazo masinina izy ahafahany manomboka ny asa. Nihabetsaka hatrany ny kaomandy ka voatery nitady namana ny volana janoary 2018. Vehivavy 4 no miasa ao aminy hatramin’izao ka izy 4 vavy no manjaitra fa i Lova kosa no mandidy sy manao ny « finition » rehetra. Tsy mifidy zaitra atao ny orinasa kelin’i Lova fa manao ny zaitra rehetra : ny « costume », ny lobaka rehetra, ny pataloha rehetra, ny akanjo totena.... Miparitaka be ny lazan’i Lova ka olona avy any amin’ny Kaominina manodidina an’Antoby aza efa tonga manatona azy toa ny Kaominina Manazary sy Miarinarivo II ary Antanetibe. Miantoka lamba dia mikaomandy ny olona. 15.000 ar ny costume. Tsy mahay mijery ny qlt ravindamba mety aminy izy. 70.00 ariary hatramin’ny 12.000 ariary no hanjairan’i Lova zipo, 15.000 ariary ny « costume », 5.000 ariary hatramin’ny 7.000 ariary ny lobaka,

vola azo raisina isan’andro. Hatramin’izay niasa efa nahazo tany novidiana 350.000 ariary. Nividy masinina efa niasa 70.000 ariary koa aho ary efa manana tanjona hanao trano amin’ny herintaona tahaka izao, trano lehibebe sady itoerana no hiasana. Miadana ny saiko satria manana ny asako manokana aho. Izaho ihany no patron dia milamina tsara. Mafy tamiko mihitsy ilay tsy nisy asa teo aloha ka novononiko tanteraka ny saiko hoe tsy maintsy lasa mpanjaitra matiahanina toa an’i Mme Berthe aho, dia tratrako ny tanjoko ary faly aho. Ho antsika tanora namako, mila miasa daholo isika na lahy na vavy ahafahana miatrika ny ho avy manontolo. Afaka atomboka foana ny asa na firy taona ny firy taona. Tsy voatery hiandry ny ray aman-dreny satria tsy maintsy hanana ny fahaleovan-tenantsika isika any aoriana ka aza miandry ela manomboka ny asa. »

7.000 ariary hatramin’ny 15.000 ariary kosa ny pataloha. « Mampiasa ireto namako ireto aho ka arakaraky ny asa vita no andoavana ny karamany. Samy efa manana carnet ny tsirairay anoratana ny vitany avy. HItako hoe tena mahavelona ity asa ity. Tamin’ny paska farany teo izao naka lamba 100.000 ariary tany Ambodinisotry aho, nahazoako 270.000 ariary izay lamba izay. Ny aty aminay volana janoary mandray febroary ihany no tsy dia misy zaitra fa manomboka faran’ny febroary hatramin’ny desambra dia mila tsy ho araka foana ny asa. Tsapako ho nisy fiovana be ny fiainanay 4 mianaka. Vao nanao stage fotsiny aho dia efa afaka nandray vola isan-kerinandro tao amin’i Ramatoa Berthe. Izao efa nahatsangana ity orinasa kely ity dia hita be ny fivoarana satria isaky talata, zoma sy alahady no mamoaka akanjo ary mahazo vola foana indraindray 20.000 na 40.000 ariary arakaraky ny akanjo vita. Mba misy

Afaka ny tebiteby sy ny fahasahiranana tamin’ny tsena fivarotana rehefa nahazo tsena izahay

aminay izahay satria mijaly amin’ny tsy fisian’ny toerana ahafahana mivarotra. Rehefa nanatona ny Fandaharanasa ny Lehiben’ny Faritra dia nahazo ity toerana fivarotana eto Befandriana ity izahay miaraka amin’ireto mpahazo tombontsoa amin’ny sehatrasa maro ireto. Nanangana fikambanana izahay vehivavy mpiantoka lako avy eo ary nampitondrainay ny anarana hoe Fikambanna Miaramitantagna ao Mazava.”

Befandriama amin’ny fiara fitaterana. Isan’ando dia toy izay no iainan’ireo vehivavy ireo. Roa na telo garaba isan’olona ny lako azon’ny vehivavy tsirairay, ahazoany tombony 30.000 hatramin’ny 50.000 ariary. Ny lako betsaka fa ny tsy fananana tsena raikitra no olana tsy maintsy natrehina isan’andro. Araka ny fitantaran’i Tanarine, isan’ireo vehivavy mpiantoka dia efa misy tompony avokoa ny toerana ao bazary ka tonga hatramin’ny fanilikilihan’ny sasany ireo mpivarotra lako. “Nitaraina tamin’ny Lehiben’ny Faritra ety

Fomba fiveloman’ireto vehivavy maro mponina ao Mazava,

distrikan’i Befandriana ny miantoka lako na trondro entina hamidy ahazoana tombony ao amin’ny tsena Befandriana. Ankehitriny, efa isan’ireo misitraka ny tombontsoa fahazoana toeram-pivarotana ao Befandriana izy. Vao maraina amin’ny 6 dia efa midina maka ireo lako azon’ireo mpanarato maraina ny andiam-behivavy maro mpiantoka lako ao Mazava. Farafahatarany amin’ny 9 maraina no mitondra ireo lako entina hamidy ao

Lova sy ny vadiny (sisiny ankavanana) miaraka amin’ireo mpiara-miasa aminy 3 vavy

PRO

SPER

ER 2

019

6

Page 7: Gazety boky MIOITRA...Ho ahy manokana betsaka ireo lesoka teo amin’ny fiainako: ny tsy fahampiana vola, ny fisian’ny aretina tamin’ny gana, ny fikorontanana teo amin’ny fitantanako

Laharana 040 Taona 2019

“Hatreto aloha mbola ny fampianarana ny zanako no tombontsoa sy imasoako amin’ity asako ity. Manana ny asany ny vadiko, izaho mivarotra lako izany hoe samy mampidi-bola izahay mivady. Tsy dia voatery hiankina be loatra amin’ny vadiko aho kanefa tsy afaka ny hahavitatena ihany koa fa mba faly fa milamina ny tokatrano, milamina ny fianaran’ny zanaka. Ny volana febroary sy martsa aloha indraindray tena maty antoka fa manomboka aprily kosa vao mahazo 20.000 na 30.00 ariary tombom-barotra isan’andro. 5 ny zanako, ny faralahy no mianatra momba ny fitantanana taona fahaefatra any Mahajanga. Hitako hoe mampilamina tsara ny fianaran-janako ion y fananako vola. Mba tsy sahirana izahay mivady satria afaka misakafo tsara nefa afaka koa mampiana-janaka. Raha afaka roa na telo taona any indray dia efa zavatra hafa mihitsy no tiako tratrarina, mba te hanana trano amin’izay izahay. Efa manao tahiry tsikelikely ihany ary inoanay fa tsy maintsy vita izany.” Hatreto aloha mbola tsy ao anatin’ny sain’ireo vehivavy mpkambana ao anatin’ny Miaramitantagna ny fanamainana lako satria mbola betsaka ireo mpanjifa ao an-tsena ka izay entina dia lafo avokoa, na izany aza tsy manda ny mety ahatongavana amin’izay izy ireo mba ahafahany mitahiry ny vokatra sy mandefa ireo vokatra ivelan’ny distrikan’i Befandriana any aoriana any.

tsy tiako manofa trano amin’olona fa te hanana ny ahy manokana aho. Izay indrindra izao no vinako atoato dia ny hanao trano. Ny tokontany asiana azy sy ny fitaovana rehetra ilaina hanaovako azy efa azoko: ny hazo, ny tafo, sns fa ny vola hanaramako olona hanao azy sisa no angoniko amin’izao.”

“Matetika izahay tsy manana tanim-bary no miasa mivarotra lako ireto. Mamelona sy mandefa zaza eny anjery manontolo izahay ka raha mijanona ity asanay ity dia sahirana izahay. Soa fa mandeha ny tsenanay. Ny volana tena manahirana anay dia ny volana febroary sy martsa. Betsaka ny trondro amin’io ka tena mitobaka be mihitsy. Tsy azonay atao anefa ny tsy mivarotra satria tsy maintsy mitazona mpanjifa izahay. Rehefa manomboka volana avrily, mahatratra hatramin’ny 600.000 ariary isam-bolana ny tombony azoko kanefa arakaraky ny tsena koa. Mety ambonin’io mety ho ambaniny ihany koa, izany hoe miankina amin’ny isan’ny garaba azoko isan’andro no mampiakatra na mampidina azy. Roa ny zanako amin’izao: ny iray mianatra mahakasika ny fitantanana taona fahatelo eny amin’ny sekoly ambony ary io fivarotana lako io no anefako ny saram-pianarany. Hatreto aloha dia ny fampitako ny zanako ho vita fianarana sy mba hahafahany mitady asa no tena imasoako. Tafita io zanako voalohany io dia tohanana indray ilay faharoa.”

Ankoatry ny toeram-pivarotana ao Befandrina dia nisitraka fahazoana toeram-pamatsiana lako ihany koa izy ireo ao Mazava. Misy ny komity mpitantana ny toeram-pivarotana sy ny toeram-pamatsiana lako ary manana ny sata mifehy azy ny Fikambanana ary isan’izany ny fanaovana latsakemboka isam-bolana mba ahafahana mikajy ireo fotodrafitr’asa roa ireo. Tsy nisy loatra ny fiofanana azon’ireo mpikambana fa kosa fanatonana mivantana ahafahana mahafantatra ireo filana no natao tamin’izy ireo. Maro ireo tombony azon’ireo mpikambana ao anatin’ny Fikambanana Miaramitantagna nateraky ny fisiana fotodrafitr’asa ireto.

“Betsaka ny mpividy lako ety Befandriana. Matetika ny lako entinay tsy maintsy lafo avokoa ary tena ahazoanay vola ahafahanay mivelona indrindra fa taorian’ny fahazoanay ireto fotodrafitr’asa roa ireto. Taloha zahay voailikilika, izao tena miadana. Raha manorana ny andro tsy sahirana izahay. Afaka maka lako maro zahay any amin’ny toeram-pamatsiana any Mazava, lasa tsy mitondra lako mody intsony izahay satria afaka mivarotra mandra-harivan’ny andro. Tsy mifindrafindra intsony amin’ny tsena fa efa manana trano lehibe tahaka ito. Rehefa tsy misy fiara ahafahanay mitondra ny entana mody dia efa manana trano izahay asiana azy, rehefa mivarotra izahay tsy atahorana ny vola satria efa misy trano ametrahanay azy, lalan’ny olona eto ary ny ankamaroan’ny olona mandalo eto avokoa, sady amoron-dalana no tsara ny tranonay vao mahita izany ny olona dia mivily. Raha maka lako 300.000 ariary izahay dia ahazoanay 100.000 ariary tombony nefa miankina amin’ny tsena ihany. Indraindray raha maka lako 100.000 ariary dia mahazo tombony 20.000 na 30.000 ariary. Ny garaba iray vidiany 150.000 ariary (mety ahazoana tombony 40.000 ariary), misy aminay mahazo hatramin’ny garaba 10 na 9 isa-maraina, farafaha tsy mahazo lako izahay mitondra garaba roa aty an-tsena. Tena isan’ny manahirana ahy ahy ao Mazava ny mbola tsy fananako trano, Ny tsenan’ny trondro ao Befandriana Avaratra

PRO

SPER

ER 2

019

TANARINE

ROLISY

RAHELISOA Brigitte

7

Page 8: Gazety boky MIOITRA...Ho ahy manokana betsaka ireo lesoka teo amin’ny fiainako: ny tsy fahampiana vola, ny fisian’ny aretina tamin’ny gana, ny fikorontanana teo amin’ny fitantanako

Mitombina tsara ny asanay amin’izao noho ny fisian’ny trano fiasana sy fahazoanay fitaovana

Efa tamin’ny taona 2006 no nisian’izany rafitra hazo izany tao

Ambobaka ary ny ankamaroan’ireo lehilahy ao an-toerana no manao ity asa ity. 20 kilometatra miala an’i Antsohihy no misy an’Ambobaka manaraka ny lalana mihazo an’i Befandriana Avaratra. Eny ambany hazo na eo an-tokotany eny no toerana niasana ary ny rabot, maritoa, fandraka, izany hoe fitaovana tsotsotra no mbola nampiasaina tamin’izany. Raha toa indray ka asa ilàna masinina dia tsy maintsy any Antsohihy no itondrana ny hazo.Mbola tena mora ny asa tanana vita amin’ny rafitra tamin’izany noho izy tsy tsara kalitao: 2.000 ariary monja ny seza, 2.500 ariary ny latabatra, 15.000 ariary ny «étagères». Any Antsohihy no itondrana ny entana vita ka teo no nifankahitana tamin’ny Fandaharanasa FANOITRA sy nanombohan’ny fiaraha-miasa ny taona 2010. “Tonga teto aminay ny solontena tao amin’ny Fandaharanasa FANOITRA nitafa taminay ary nampivory ny olona teto an-tanana. Rehefa voaentana dia 41 lahy izahay no vonona sy nisoratra anarana. 10 andro ny fiofanana natrehinay ka 25 lahy izahay no nanatrika izany.” Hoy Andriamatoa RAJAO MarchelRehefa vita ny fanadihadiana natao tao Ambobaka sy ny fijerena ny filàn’ny mponina dia natsangana ny trano fiasana amin’ny rafitra ny taona 2011. Ny tany nampiasaina dia avy tamin’ny mponina ihany ary nanaovana taratasy fanolorana mba ahafahana manorina ny trano fiasana. Natsangana io taona io ihany koa ny Fikambanana FMMA nahitana mpikambana miisa 40 mba ahafahana mampiasa ny masinina sy ny trano. Ny taona 2013 no vita soa aman-tsara ny trano ary ny 6 novambra 2014 indray no tonga ny masinin-kazo. Ankoatra ny fiofanana fanome ireo orinasa madinika toy ny fitantanana, haivarotra, sns dia nisy ihany koa ny fampiofanana mahakasika ny

ny fotoananay amin’ny fiasana ato anatin’ity toeram-piasana ity. Samy manenjika asa izahay ka na eo aza ny asa fambolena dia samy manao izany ho afany amin’ny rafitra atao. Farafahakeliny mandray 200.000 ariary isam-bolana izahay ato amin’ny Fikambanana isam-bolana vokatr’ity asanay ato ity. Taloha tsy toy izany mihitsy. Mahavita latabatra iray ohatra dia elabe indray vao mahavita iray manaraka noho ny tsy fisiana fitaovana harifomba tahaka ny amin’izao. Raha tena nahazo vola tamin’izany mety 50.000 ariary isam-bolana ihany. Ankoatra ny fahakelezan’ny vola miditra tamin’izany lasa mivarotra vary satria tsy ampy ny vola miditra. Amin’izao, ny vola miditra ny sakafo ampy tsara satria tsy misy antony tokony ivarotanay vary intsony. Nahoana moa no tsy ho faly. Taloha kely ny vola azo, rehefa entina eny an-tsena dia lany vetivety. Amin’izao nitombo ny vola azo, faly ny vady aman-janaka indrindra fa ny vehivavy ao an-trano fa mba miasa tsara izahay lehilahy. »

“Tamin’ny 2011 aho no nanomboka nandrafitra. 100.000 ariary farafahabetsany isam-bolana no noraisiko. Sahirana tao an-trano satria efa 4 ny zanako tamin’izany. Rehefa tonga ny taona 2013, taorian’ireo tohana rehetra azonay dia nitombo ny vola miditra tamiko: 400.000 hatramin’ny 500.000 ariary isam-bolana eo. Efa mba nitombina ny velontegnako ary nilamindamina ny tokatranoko nisy fahasahiranana teo. Nanahirana ahy taloha ny fitaovana nampiasaiko. Sady ela fiasa ilay izy no tsy dia afaka namoaka fanaka tsara kalitao loatra. Rehefa tonga ireto masinina hazo ireto dia niova lasa tsara ny kalitaon’ny fanaka nataoko ary nitombo ny mpanjifa. Io no hitako antony iray nampitombo ny fari-piainanay. Mitovy amin’ny mpiasa rehetra hiasa ireny ihany izahay ato: miditra amin’ny 7 ora sy sasany

fampiasana ilay masinin-kazo vaovao. Tsy ny mpikambana ao amin’ny FMMA ihany no mahazo tombony amin’ity fitaovana azonay ity fa ireo mpandrafitra eny amin’ny manodidina koa. Mba ahafahana mikojakoja ny fitaovana sy hitsinjovana ny fanamboarana azy any aoriana anefa dia misy sarany ny fampiasana azy, ohatra raha mamaky hazo: 1.000 ariary ny hazofisaka iray miaraka amin’ny fanalamana (rabotage) raha tsy mpikambana fa 900 ariary kosa ho an’ny mpikambana. Izay vola azo avy eo dia arotsaka any anaty kesin’ny Fikambanana. Ny fifamenoana eo amin’ny trano sy ny fitaovana no isany nanamora ny fahazoana tsena sy fanatsarana ny kalitaon’ny asa, fihenan’ny fotoana lany, ny fahafoanan’ny fivezivezena nitadiavana masinina tany Antsohihy, fiakaran’ny vidin’ny vokatra: ny seza “ordinaire” lasa 12.000 ariary ny iray, latabatra vita amin’ny hazo fotsy mirefy iray metatra lafo 15.000 hatramin’ny 20.000 ariary ny iray., ny «étagères» mandeha 50.000 ariary. Eo anoloan’ny toeram-pivarotana ao antapon-tananan’Antsohihy no ahitana ireo vokatra amin’izao ankoatra ireo kaomandy.

«Efa betsaka ny mahafantatra anay amin’izao hoe mpandrafitra aty Ambobaka noho ilay tsenanay ao Antsohihy. Tsy mananosarotra rahateo ho an’ireo mpanjifanay ny manatona anay aty. Nisy zao nanatona taty nikaomandy latabatra 40 isa. Ireo kesika marobe ao anaty toeram-piasanay ireo izao dia kaomandin’olona avy any Sambava. 170.000 ariary ny iray amin’ny kesika nividianan’ireo olona azy. 10 isa no efa vitanay ary efa lasa any Sambava fa 21 ireo mbola ao ireo, halainy tsy ho elaMamboly vary koa no asa ampivadianay amin’ity asanay ity. Amboarinay araka ny tokony ho izy

Joseph Sebastien

ANDRIAMIZAZA Rodeste

8

Page 9: Gazety boky MIOITRA...Ho ahy manokana betsaka ireo lesoka teo amin’ny fiainako: ny tsy fahampiana vola, ny fisian’ny aretina tamin’ny gana, ny fikorontanana teo amin’ny fitantanako

Laharana 040 Taona 2019hatramin’ny 11 ora sy sasany amin’ny maraina ary amin’ny 2 ora hatramin’ny 5 ora sy sasany amin’ny hariva. Mahavita latabatra 3 isan’andro izahay. Tombontsoanay manokana ny mbola fanananay aty Ambobaka faritra be hazo. Hatreto aloha tsy mbola mividy hazo izahay na dia somary lavidavitra kely aza ny hakanay azy. Hazo ala no ankabetsahan’ny hazo ampiasainay: ny sakoa, ny soihy, ny motso, ny tsiambaravaly, … Mitovy amin’ny namako rehetra ihany, mifamady amin’ity asa ataoko ity ny fambolena. Ampy tsara ny sakafonay, ny vola azo avy amin’ny rafitra indray lasa ampandehanana ny ao an-tokatrano toy ny fampidirana ny ankizy mianatra, ny akanjo fitafy sy izay ilàna vola rehetra, indrindra ny tahiry ahafahanay mividy omby hampiasaina amin’ny fambolena, izay vinavinanay mivady. Hatreto ary inoako fa rahatrizay, tsy mbola ato anatin’ny saiko mihitsy ny hoe hiala amin’ity asako ity, asa nahitako soa rahateo. Tsy izaho ihany no nahazo tombontsoa fa izahay rehetra mpikambana ato mihitsy. Ka raha toa ka eo ny Fandaharanasa na tsy eo intsony, ny nahitana soa tsy azo ajanona na adinoina izany. Tohizanay ny asanay, nisy fiofanana maro nomena anay: na teknika fampiasana masinina, na fitantanana sns, ny hampitombo sy hampiroborobo azy

amin’ny fanaraha-dalana toy ny fanefana ny latsak’emboka isam-bolana ahafahana mampaharitra ny fitaovana sy ny fotodrafitr’asa. Ny tsena mbola tena malalaka tsara. Mba ho fanatsarana hatrany ny tontolo iainana, noho ny fanapahana ala dia ezaka ataon’ny mponina ao Ambobaka mihitsy ny mamboly hazo 30 isa isan’olona isan-taona. Mirary so any Fikambanana FMMA ao Ambobaka ho tafita soa ary handroso hatrany amin’ny asa fihariana.

ity ary no tena tadiavinay. Noho izany matokia ianareo fa hataonay izay hampiodina hatrany ity toerana ity satria miankina betsaka amin’ity ihany koa ny fisondrotn’ny velontegnanay.»40 ny isan’ny mpikambana teny am-boalohany, 5 anefa sisa no tafajanona amin’izao fotoana. Isan’ny nahatonga ny fialan’ny sasany tsy ho mpikambana ny fifindrana monina, ny tsy fanarahana fepetra satria dia tena hentitra ny Fikambanana

Mahavelona anay 7 mianaka ity baie rose ity ary efa nahavitako trano ho an’ny ankohonako

Manohana mpamboly baie rose maherin’ny 60 isa eo ny

Fandaharanasa FANOITRA ao amin’ny Faritra Itasy. Kaominina roa no ahitana ireo mpamboly ireo dia ny

Alatsinainikely Andriamatoa Audiste, izay sady efa voafidy ho mpampiofana ihany koa amin’izao fotoana noho ny traikefa sy fahaiza-manao ananany.Nody an-tanindrazana Andriamatoa Audiste ny taona 1987 rehefa tsy afaka nanohy fianarana intsony noho ny havizanan’ny saina fa hoe hamboly. Niaina tamin’ny karama madinika sy fambolena teny an-tanana izy rehefa tafody. Nisy orinasa atao hoe SOGEA, nikarama tao nijinja vary, nively vary, nitaona katsaka; izay andraisany 1.500 ariary isan’andro. Ankoatry ny tany amin’ny SOGEA dia nikarama tamin’olona ihany koa: ireo no asa nataony nandritra ny taona vitsivitsy. Zanaka mpamboly baie rose Andriamatoa Audiste. Nomen-drainy baie rose 1 kilao izy ary tena nahagaga azy fa lafony 40.000 ariary izany. Mbola tsy nanambady izy tamin’izay ary teo no tapakevitra ary nanangom-bola mba ahafahana mividy zanaka baie rose. Fototra 3 no nanombohany namboly baie rose ny taona 2005 tany ho any ho fanandramana. Rehefa

Kaominina Alatsinainy kely ahitana mpamboly 30 sy ny Kaominina Analavory ahitana mpamboly 30 eo ihany koa. Isan’ireo mpamboly baie rose ao Ambatofolaka, Kaominina

Ireo mpikambana 5 isa ao anatin’ny Fikambanana FMMA amin’ny rafitr hazo ao Ambobaka

PRO

SPER

ER 2

019

Voly mora atao nefa tsy atahorana mpangalatra hatreto ny voly baie rose kanefa ahafahana mivelona tsara

PRO

SPER

ER 2

019

9

Page 10: Gazety boky MIOITRA...Ho ahy manokana betsaka ireo lesoka teo amin’ny fiainako: ny tsy fahampiana vola, ny fisian’ny aretina tamin’ny gana, ny fikorontanana teo amin’ny fitantanako

Laharana 040 Taona 2019vokatra ny baie rose telo taona taty aoriana dia tsapany fa aleo mamboly baie rose toy izay hamboly katsaka na mangahazo. Niditra ho mpikambana tao anatin’ny Koperativa Tsabrose izy ny taona 2010. Tao no nahazo ireo karazam-piofanana maro toy ny famelomana zanaka baie rose, ny teknika fambolena baie rose, ny fikarakarana (ny «taillage», ny fikarakarana, ny fanafody, ny fiavana, ny fanadiovana), ny fanavahana, ny fanitarana ny sehatrasa madinika, ny fitantanana ny ara-bola... Taorian’ny fiofanana dia novatsian’ny Fandaharanasa indray zana-kazo, fitaovana « sécateur », tsofa, pompe pulvérisateur. Vita ny fiofanana dia namboly 100 fototra. Efa nanambady izy tamin’izay ary efa nanan-janaka ihany koa. Fidiram-bola maharitra ho an’ny fianakaviana ny baie rose, hoy izy, sady tsy dia misy manahirana amin’ny fikarakarana azy. « Nandeha tsara ny fambolenay. Nisy fotoana anefa sendra tsy teto izahay, roa andro monja dia potika ireto baie rose eto antokotaninay ireto. Soa fa nampianarina momba ny fampiasana fanafody adigasy izahay. Vao namony ny baie rose tamin’izay. Vao nofafazana fanafody dia mba maty ilay biby saingy kely sisa ny voly avotra. Tsy dia fanaonay loatra ny mamafy fanafody ny volinay fa tamin’izay, hitanay ny maha-zava-dehibe ny fampiasana ilay fanafody adigasy. Nanomboka tamin’izay, tsy miandry biby manimba voly izahay fa avy hatrany dia mampiasa fanafody adigasy hisorohana ny bibikely nefa mba hampitombo ny hery ho an’ny baie rose ary hanatsara ny vokatra », hoy Andriamatoa Audiste.Fototra iray tokony ahazoana 200 gr hatramin’ny 2 kilao amin’ny ankapobeny, ny an’Andriamatoa Audiste fototra iray ahazoany hatramin’ny 4 kilaona 5 kilao aza. Raha

atao izany ny kajikajy, ahazoan’ny hatramin’ny 300 kilao farafahakeliny ny baie rose 100 fototra ananany.Mampirehareha azy ny sehatrasa ataony. Hatreto, nitondra soa ho azy ity asa ity : nahazo tany 2 ara sy sasany izy ao Ankadinondry hanaovana trano hipetrahan’ny zanany rehefa mianatra, nahazo tanimbary iray toerana ihany koa ary tanimboly 2 hektara hanitarany ny fambolena baie rose. Ankoatra izay, efa nahavita trano ao Alatsinainikely hipetrahan’izy mianakavy ary mbola tsy nahitany olana ny fampianarana ny zanany 5 mianadahy noho ny fahampiana ara-bola nateraky ny fambolena baie rose. « Niheritreritra izahay hoe mba ilaina ny manara-baovao sy mahafantatra ny zava-misy dia nividy fahitalavitra sy jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro, vola azo avy amin’ny baie rose avokoa. Manana vina ny hanitatra hatrany ity fambolena baie rose ity aho, izay no antony anangonako tanimboly io. Tanjoko amin’izay ny mba hijerenay ny ho avin’ireo zanakay ireo, hampitanay azy amin’ny fianarana. Tiako ihany koa ny hampianatra azy 5 mianadahy ny fambolena baie rose mba ahafahany manohy ity asa ity raha toa ka misy ny fotoana tsy ahafahako manao izany» hoy ihany izy.Mpikambana ao amin’ny Tsabrose ao Ankadinondry Andriamatoa Audiste. Ny Koperativa noho izany no mandray ny vokatra vokariny ary mivarotra azy amin’ireo mpandraharaha ara-barotra maro efa miara-miasa amin’ny Koperativa. Ho an’ny Faritra Itasy manokana, efa misy mpandraharaha ara-barotra maniry ny hiara-hiasa amin’ireo mpamokatra ao. Efa nisy fihaonana teo amin’ny roa tonta. Mba ho fanombohana dia grady voalohany 500 kilao sy grady faharoa 3 taonina ny fiaraha-miasa anombohana azy.

• Feno herintaona ny baie rose dia jerena ny hendriny ary ahitsy mba hanana hendrika tsara.

• Diovina ny fotony, na avaivaina in-droa isan-taona

• Araha-maso tsara ny baie rose amin’ny aretina. Alohan’ny hamelana dia manao fanafody, arakarak’izay tiana no anondrahana fanafody azy na isan-kerinandro na isan-tapabolana.

• Fihotazana manomboka faran’ny desambra hatramin’ny volana jona.

Ravim-boandelaka 1 kilao, alona rano 8 litatra, sakay pilo 2 sotro lehibe voatoto, savony gasy silany (fixation) azo soloina taretra na tsindaory. Alona 2 andro mahery. Tatavanina dia atao anaty pompy dia atifitra ny fambolena misy biby dia averimberina na isan-kerinandro aza vao maika tsara. Aretina ahany: olitra maintso (cellule legionnaire), lolo, fanday.

Grade 1:40.000 ariaryGrade 2:30.000 ariaryGrade 3:8.000 ariaryGrade 4:4.500 ariary

FIKARAKARANA BAIE ROSE

FANAFODY ADIGASY

VIDIN’NY BAIE ROSE / kilao

Mbola malalaka ny tsenan’ny korosy ary azonay ivelarana tsara amin’ny fivelomanay

Ny taona 1992 hatramin’ny 1997 no nisy fiaraha-miasa somary lehibe ihany nifanaovan’ny mponina ao Antanambao Andranolava tamin’ny mpandray vokatra antsoina hoe FAMAMA. Ny korosy mbola anaty akorany no namidy tamin’izay. Tsy mbola nisy fikambanana nitsangana na koperativa fa samy mivarotra ny vokatra amin’ny FAMAMA araka izay korosy ananany ireo mpamboly. Isan’ireo mpamokatra korosy ao Antanambao Andranolava

fambolena sy fanamboarana ny korosy tao an-tanana. Ny mpandalo mpitady voandalana no mpanjifa tamin’izany. Namidy tamin’ny kapoaka anaty harona no nanaovana azy ary 300 hatramin’ny 500 ariary ny vidin’ny iray kapoaka. Ny taona 2008, somary nanandrana nanatsara ny endriny ny mponina tamin’ny alalan’ny famonosana ny korosy anaty “sachet”. Teo ihany koa no nanomboka nanendy korosy sy nanisy tsiro azy.

Ny korosy na mahabibo amin’ny ahafantaran’ny olona azy, dia

seha-pihariana iray mamelona mponina manontolo ao amin’ny fokontany Mangapaika, Kaominina Antanambao Andranolava, distrika Marovoay. Manamorona iny lalam-pirenena faha 4 iny ny tananan’i Antanambao Andranolava. Ny famokarana korosy no ataon’ny olona anton’asa manomboka volana aogositra hatramin’ny desambra. Efa ny taona 1980 tany no nisian’ny

10

Page 11: Gazety boky MIOITRA...Ho ahy manokana betsaka ireo lesoka teo amin’ny fiainako: ny tsy fahampiana vola, ny fisian’ny aretina tamin’ny gana, ny fikorontanana teo amin’ny fitantanako

Laharana 040 Taona 2019

fampiasana ny hoditra mahabibo ho fanafody ho an’ny olona voan’ny “appendicite”, ny raviny mena azo hitsaboana ratra voan’ny antsy ohatra. Hitako koa fa lasa nahay nitantana ny vola teo am-pelatanako aho. Taloha, izay vola azo lany avokoa fa tsy nisy tahiry azo napetraka na zavatra voatsangana. Izao efa hay ny mametraka vola amin’ny GVEC hitsinjovana ny ho avy. Noho ny fanarahana ny toro hevitra koa dia efa manana tokontany sy omby 2 aho izao ary velona tsara izahay 7 mianaka amin’ny resaka sakafo sy kojakoja ilaina amin’ny andavanandro. Efa manana mahabibo 60 isa nambolena aho izao miampy ireo efa nambolen’ireo ray aman-dreny tany aloha tany. Ny vinako dia ny mbola hampitombo ireo voly mahabibo mba hisy ho lovain’ireo zanako any aoriana any.”Ny hatsembohanao no hihinananao. Tsy misy asa tsy ahazoana vokatra raha tena himasohana tsara. Ny fanajana ny asa sy fikirizana anefa no tena fototry ny fahombiazana koa mahaiza mankafy sy mivelona ary manaja ny asa eo am-pelatanana.

ary napetrako eny amoron-dalana. Namidy 300 na 400 hatramin’ny 1.000 ariary izy taloha. Kely ny vola niditra tamin’izany fa mba nisy lanjany ihany. Izay no namelomako ny zanako mianadahy. Nimenomenona ny olona avy eo amin’ilay korosy tratran’ny vovoka. Tiako ny hanatsara ny asako ka dia nanomboka namono tamin’ny “sachet”. Misy karana mpaka korosy aminay ihany koa nitady ilay mendy sy masira dia nikaroka hevitra koa dia nanendy korosy ka lasa nisy ny korosy fotsy ary nisy ny mendy. Izao 2019 izao mbola tsy mitsahatra manao korosy aho satria tena nahatsara ny fiainanay telo mianaka izy ity. Mbola tsy lehibe ny korosy namboleko ka tsy maintsy mividy aloha aho izao. Raha mividy korosy amin’ny ankorany iray gony amin’ny vidiny 150.000 ariary aho ka rehefa karakaraiko io ary amidiko dia ahazoako tombony 300.000 ariary be izao. Efa nahazo tany aho izao fa manana vina ny hanorina trano. »

2013 aho no nanomboka niasa ity korosy ity. Isan-kerinandro izahay mitondra korosy fotsy 100 kapoaka efa vita karakara hamidy any Mahajanga. Nentinay nitety ireo tranom-barotra karana na bazary ary namidy tamin’ny kapoaka tamin’izay. Nandritra ny roa taona no nanaovanay izany. Ankoatra ireo fiofanana mantsy dia nampahalalana anay ihany koa ny tombontsoa entin’ny mahabibo amin’ny fiainana andavanandro: ny

ny Koperativa MIROSO ahitana mpikambana miisa 17: 5 vavy ary 12 lahy. Rehefa fantatry ny FANOITRA ny fisian’ity sehatrasa ity ary hita fa azo ivelomana tsara dia nirosoana ny fanampiana ireo orinasa madinika. Nifantoka tamin’ny fanomezana fiofanana ireo mpamokatra korosy ny tohana natao: fiofanana momba ny fitantanana, ny haivarotra, ny kolontsaina mindrana sy manao tahiry, ny teknikam-pambolena korosy sy fikirakirana ahazoana vokatra tsara sy ara-kalitao, ny fananganana GVEC ifampisamborana… Tsy vitan’izay fa natsangana ihany koa ny Koperativa MIROSO ny taona 2015 mba ahafahana mamaly tsena lehibebe kokoa. Ny taona 2016, notolorana toeram-pivarotana korosy ny koperativa MIROSO ahafahana mivarotra sy toerana ahafahana mifandray amin’ny koperativa. Mahavelon-tena tsara ny Koperativa. Ny Koperativa MIROSO ihany no manarama isan’andro ny mpikambana hahandro sy hamaky ary hanendy ireo korosy. Isam-bolana, mizara tombom-barotra ny mpikambana fa ny renivola kosa dia mijanona ho fividianana ny akora sy ho fampiodinana ny Koperativa. Tafakatra 1 tapitrisa ariary ny vola miodina ao amin’ny Koperativa ao anatin’ny volana iray. Ankoatry ny fanatsarana ny korosy naniry hatramin’izay dia efa miditra amin’ny fambolena zanaka korosy ihany koa ny koperativa. Ny olana mianjady amin’izao ny tsy fisiana fitaovana ampiasaina ahafahana mamaky korosy aman-korany. Vakivaky ny korosy ary miteraka menaka ny akorana mahabibo ka mitondra fanimbana ny tanana.“Tsy hahazo tsena tsara mihitsy izahay raha mbola potipotika tahaka izao ny korosinay, vinan’ny koperativa amin’izao ny mba hividy fitaovana famakiana korosy hanatsarana ny kalitao sy ny endriny ho mendrika tsena. Fisiana trano fitahirizana korosy sy fananana masinina famakiana korosy dia antoka iray ahafahanay manatratra vokatra betsaka sy ara-kalitao mamaly ny tsena.” Hoy Andriamatoa Joseph, filaohan’ny Koperativa MIROSO

«2001 aho no nanomboka nivarotra korosy: nataoko anaty lovia fisaka lehibe ambony laona na latabatra

FITSABOANA AZO AVY AMIN’NY KOROSY• Appendicite: ampangotrahana

miaraka amin’ny rano 1 litatra ny hoditra mahabibo eo amin’ny 10x10 santimetatra. Rehefa manome loko volon-tsokola dia afaka bataina miala ny afo. Iny sotroina iray vera maraina sy hariva mandritra ny tapa-bolana dia sitrana.

• Ratra: kosehina ny ravina dia ny ranony apetraka amin’ny fery

Mbola tanana aloha hatreto ampiasain’ny Koperativa Miroso ao Mangapaika mandram-pahazoany ilay fitaovana

PRO

SPER

ER 2

019

SOAMANDIMBYMarie

TOVOHERY Jean Claude

11

Page 12: Gazety boky MIOITRA...Ho ahy manokana betsaka ireo lesoka teo amin’ny fiainako: ny tsy fahampiana vola, ny fisian’ny aretina tamin’ny gana, ny fikorontanana teo amin’ny fitantanako

Efa manomboka miverina ny kalitaon’ny lojy mitsangana mainty maso noho ny ezaka nataonay mpamboly

Raha 180 hatramin’ny 250 ariary ny kilao amin’ny black eyes

tamin’ny taona 2000 tany tao Ankaraobato, 19 taona aty aoriana, 1.200 ariary hatramin’ny 2.000 ariary ny kilao. Tsy vitan’ny niakatra ny vidiny fa nihatsara koa ny kalitao ary efa manomboka miverina tsikelikely ny vokatra lojy mitsangana mainty

mponina. Nadinika ny voan’ny lojy kanefa tsy dia simba loatra noho ny fampiasana fanafody. Na izany aza mbola tsy dia nanao ahoana loatra ny habetsaky ny vokatra niakatra satria tsy nanara-penitra ny fomba fiasa: tany iray hektara nahazoana vokatra 1 taonina latsaka.2014 no nanomboka ny fiaraha-miasan’ny mponina tamin’ny Fandaharanasa FANOITRA tamin’ny alalan’ny fanomezana fiofanana mahakasika ny voly teknika lojy, ny fampiasana fanafody adigasy amin’ny voly, ny fitantanana, ny fifandraisana amin’ny ara-barotra, ny dia fibeazana,

maso. 23 kilometatra miala an’Andranofasika amin’ny lalam-pirenena faha efatra no misy ny Fokontany Ankaraobato, izay ao anatin’ny Distrikan’Ambatoboeny, Faritra Boeny. Maherin’ny 8000 ny isan’ny mponina ao. Ny famokarana lojy no fiveloman’ny ankamaroan’ny mponina ao hatramin’izay saingy fambolena ara-drazana no nisy; izany hoe mifangaro voraka ny ambezo nampiasaina, tsy nisy fikarakarana manokana ny tany, nafafy tahaka ny mamafy anana ny lojy, sns. Mahatratra 70 kilao ohatra ny ambezo lojy nafafy tamin’ny tany iray hektara. Nanjaka ny bibikely tamin’ny voly ary tena kely ny vokatra niakatra moa miharatsy hatrany ny vokatra azo. Taty aoriana niezaka nampiasa fanafody simika ny

ny fahafahana mamonjy tsenam-barotra. Mbola vitsy aloha no resy lahatra sy nanandrana nampiasa ilay voly ara-teknika nampiofanina azy ireo. “Niteny izahay vitsivitsy niatrika ilay fiofanana hoe: ndao aloha handramana dia ho hita eo ny vokatra. Hitanay hoe tsy dia nandany firy ny ambezo kanefa tena nisy ny vokatra niakatra. Raha 70 kilao taloha ny ambezo lany amin’ny tany 1 hektara dia nihena ho 30 kilao monja dia efa nahavita azy. Dia maro no voasarika tamin’izany dia natsangana amin’izay ny Koperativa TAMIA. 37 ny isan’ny mpikambana teny am-pananganana azy. Sarotra be anefa ny mitondra olona. Misy tamin’ireo mpikambana namanay

ireo no niala tsy ho mpikambana intsony satria nanantena toloram-potsiny avy amin’ny Fandaharanasa. Izao izahay 22 isa fa efa misy mpamboly 20 isa hiditra hanampy anay ao amin’ny TAMIA ihany koa atoato, izahay rahateo mandray hatrany ireo namanay izay resy lahatra. Ho anay 22 mpikambana efa taloha, mahatratra 111 hektara ny fitambaran’ny velaran-tany anaovanay fambolena lojy amin’izao. Nihatsara ny kalitaon’ny lojy, lasa niha vaventy kokoa fa tsy mifangaroaro amin’ilay madinika: araka tsara ny fikarakarana ny voly na ny tany, na ny fanafody, …Rehefa nahazo fiofanana izahay dia nahay nanavaka ny tena lojy mitsangana mainty maso (black eyes) tamin’ny lojy mandady madinika voany ka isan’ny nahatonga ny fahatsaran’ny vokatra.» Hoy Andriamatoa RATELOLAHY Jean Badtiste, mpamboly sady filohan’ny Koperativa TAMIA Ankaraobato. Efa nisy fiaraha-miasan’ny TAMIA tamina mpanangom-bokatra iray. Ny olana nisy fotoana nikatso ny vokatra satria nisedra olana ireo mpaka vokatra, teo ihany koa ny tsy fanajany ny fakana ny vokatra: ny lojy 1.200 ariary ny kilao namidy teny an-tsena no noraisiny fa ny lojin’ny TAMIA 1.400 ariary efa nifanarahan’ny roa tonta navelany. Sedra ireny fa amin’izao efa milamina kosa ny resaka varotra. Ny olona mpamatsy fanafody ihany aloha hatreto no maka ny vokatra amin’izao ary tsy misy ny olana. Izay vokatra rehetra miakatra dia raisin’io mpaka vokatra aminy io amin’ny vidiny 1.600 ariary ny kilao. Ny olana amin’izao ny fahalafosan’ny fanafody, mba ahafahany mahazo fanafody mora kokoa anefa dia efa misy lamina napetraky ny TAMIA hatao: angonina isaky ny mpikambana ny vola hividianana fanafody ary asiana solontena roa mandeha mividy azy any am-potony.

2017 aho no resy lahatra niditra tao anatin’ny Koperativa TAMIA rehefa

Sady voatsitsy ny fotoana no tsara ny asa rehefa mampiasa ny motoculteur ny mpamboly black eyes na lojy

PRO

SPER

ER 2

019

RANDRIAMIHARISOAThéophile

12

Page 13: Gazety boky MIOITRA...Ho ahy manokana betsaka ireo lesoka teo amin’ny fiainako: ny tsy fahampiana vola, ny fisian’ny aretina tamin’ny gana, ny fikorontanana teo amin’ny fitantanako

Laharana 040 Taona 2019

nahita ny fandrosoan’ny mpikambana tao. Isan’ny nahasarika ahy zareo afaka mamonjy foara, ny fahazoan’izy ireo fiofanana be dia be, teo ihany koa ny fahazoana fitaovana toy ny tracteur anaovana asa tany, ny motoculteur iasana sy ambolena lojy. Sady tsy lany fotoana zareo amin’ny asa nefa ihany koa tsy lanilany fahatany hanaramana olona ny vola noho ny fisian’ny fitaovana. Samy mamboly lojy zahay, ny ahy misy potika rehefa izy kosehina iny fa ny an-dry zareo tamin’izany tsara tarehy nefa samy avy nokosehina ihany. Noho izany dia tsara vidy ny lojiny satria ny mpandraharaha mitady vokatra tsara. Ny lojiko anefa ambanimbany vidy satria tsy tsara kalitao. Dia voasarika ny hiditra Koperativa aho. Rehefa tafiditra Koperativa dia nahazo fiofanana momba ny fampiasana ny motoculteur, ny fambolena lojy manara-penitra ary ny fampiasana ny fitaovana fikosehana lojy. Dia rehefa nampihatra tokoa ilay teknika vaovao niofanana dia lasa nitombo avo roa heny ny vokatra noraisina. Nandray vola iray tapitrisa ariary isaky ny hektara aho taloha tamin’ny mbola fambolena nenti-paharazana; izany hoe 2 tapitrisa ariary izany no noraisiko tamin’ny taniko 2 hektara nampiasaiko tao anatin’ny fotoam-pambolena iray. Izao anefa mahazo in-droa avo heny amin’ny vola noraisiko tamin’izany rehefa nampihariko ny fiofanana. Efa manofa tany 1 hektara

nambolena (lojy mitsangana mainty maso) fa tsy ilay mifangaro vorakaka teo aloha. Hatreto aloha, efa betsaka ny fivoarana teo amin’ny fiainako vokatr’ity voly lojy ity: ohatra amin’ireny fotsiny ny nahavitako trano, ny nahazoako moto, ny nahazoako fiara fitaterana, fa indrindra ny nahazoako tany 5 hektara mba hanitarako ny fambolena ataoko. Fivelomako io fambolena io dia mbola manam-paniriana hanampy tany hatramin’ny 15 hektara any aho atoato, ao ihany koa ny fividianana tracteur hanamora ny fomba fiasako ahafahako miasa ny tany rehetra nefa azoko atao ihany koa ny hampanofa azy raha ilaina izany.”Ankoatra ireo fitaovana nomena ny TAMIA tamin’ny famatsiana fitaovana amin’ny antsasa-bidy dia efa misy toeram-panobiana vokatra sy fividianana vokatra ao amin’ny Gara, Fokontany Ankaraobato, distrikan’Ambatoboeny. Tombontsoa betsaka, tsy ho an’ny TAMIA ihany fa ho an’ny mponina mpamboly ao Ankaraobato ity toerana ity satria afaka manoby ny vokatra ao avokoa ny rehetra saingy ny TAMIA kosa no mitantana amin’ny resaka varotra ho fanampiana ireo mpamokatra rehetra ao an-toerana. Mirary soa ny Koperativa TAMIA sy ireo tantsaha mpamboly lojy ao Ankaraobato mba hahatratra ireo tanjona sy vina ho fampandrosoana ny fari-piainan’ny tsirairay.

aho amin’izao; zany hoe lasa 3 hektara no amboleko. Tena mahavelona ity asa ity amiko. Mila resena mihitsy ny hakamoana raha te ho tafita dia mila mirisika ihany koa. Tany 1 hektara no efa novidiako ela, ny iray hektara fanampiny nofaiko fa rehefa nandeha tsara ny asa dia novidiko io tany io ary efa 2 hektara izany ny tena taniko amin’izao. Vinako atsy ho atsy izao, mba faniriako indray ny hanana motoculteur sy tracteur ahy manokana hiasako hampitomboako ny vokatra hataoko.”

«Efa ny taona 2000 no namboly lojy zahay. Tsy hoe tsy nahavelona akory ny fambolena lojy teo aloha fa mba nahazoanay vola ihany saingy ny lojy azonay no ratsy kalitao. 2 hektara ny haben’ny tany ampiasaiko ary 4 tapitrisa ariary eo no azoko isan-taona. 2014, hitako tena nisongadina ny vokatray satria lasa niakatra avo 2 heny na ny lojy niakatra na ny vola niditra. Izany hoe raha 4 tapitrisa no azoko teo aloha dia lasa 8 tapitrisa isan-taona ankehitriny. Tsy inona no anton’ny fiakaran’ny vola izay fa noho ny fanarahana ireo fiofanana nomena anay. Lasa vaventy tsara ny lojinay satria ambezo voafantina tsara no

Ny fampiharanay ny fiofanana azonay no nahazoanay fahombiazana sy nialanay tamin’ny fahantrana lalina

Orinasa madinika 200 isa ao amin’ny Kaominina 4 ao anatin’ny

Distrikan’Arivonimamo no mahazo tohana amin’ny Fandaharanasa FANOITRA amin’ny sehatrasa taretra dia ny Kaominina Morafeno, Arivonimamo II, Imerintsiatosika ary Ampahimanga. Sehatrasa tena miroborobo ny sehatrasa taretra ary ahitana fivoarana mihitsy satria ny 75%’ny orinasa madinika notohanana dia nahitam-bokatra tsara avokoa ary nivoatra eo amin’ny fari-piainana. Ny taona 2010 no nanomboka ny fanohanana ireo orinasa madinika mpanady taretra ao amin’ny Distrikan’Arivonimamo. Natomboka tamin’ny fiofanana ny tohana nomena ireo orinasa madinika toy ny haivarotra, ny fitantanana, ny kolontsaina fandraharahana. Teo ihany koa ny teknika fanadiana

Mamy indray no manodina ireo tady ho lasa « panneau » afaka hanamboarana harona na satroka na paoketra, ... Iny « panneau » iny avy eo no alefa any Antananarivo na hatrany ivelan’i Madagasikara

tady mba hamaly tsara ny kalitao takian’ny mpandray tady. Ny ekipan’i RASOLOARIMAMY fetra no mandray ireo tadikely vokarin’ny tantsaha amin’ireo kaominina 4 ao anatin’ny Distrikan’Arivonimamo. Ny ekipan’i

Ny tananan’Ambohijafy Kaominina Ampahimanga

PRO

SPER

ER 2

019

RAKOTOMALALA Albert

13

Page 14: Gazety boky MIOITRA...Ho ahy manokana betsaka ireo lesoka teo amin’ny fiainako: ny tsy fahampiana vola, ny fisian’ny aretina tamin’ny gana, ny fikorontanana teo amin’ny fitantanako

Laharana 039 Taona 2019

mihitsy aza. Izay no mahatonga azy miroborobo fatratra ao amin’ny Distrikan’Arivonimamo. Isan’ireo nahazo tohana Ramatoa RAVAOSOLO Hary, monina ao Ambohijafy, Kaominina Ampahimanga. Nandalo fahasahiranana ara-pivelomana Ramatoa Hary. Manambady izy ary manan-najaka roa. Isan’ny nampiroborobo ny fari-piainany anefa ny fanadiana tady ka nahitany vola miodina 5 tapitrisa ariary tao anatin’ny taona iray. Araho ao anatin’ity lahatsoratra ity ny lalana nolalovany. « Rehefa vita soratra zahay mivady ny taona 1998 dia nanao saraka an-tsaha ahafahana mahazo vola ; izany hoe mikarama manetsa, miasa tany, mamboly, sns. Mbola iray ny zanakay fa tena tsapanay fa sahirana izahay. Na ny sakafo ohaninay aza nanahirana anay satria 800 ariary ny karama isan’andro, tena hoe nijaly e. Dia naheno ny vadiko hoe misy mandray tadikely indray hono e, dia lasa nanao tadikely indray. Tsy navela akory ny saraka an-tsaha fa nampiarahina teny ihany. Isan’andro izahay no miasa mandritra ny herinandro tsy misy fijanonana. 80 ariary sy 100 ariary no nandefasana ny tady tamin’izay. Tsaroako tsara fa nitrosa vary ohanina izahay, ny eo tsy voahefa nefa tsy misy dia tsy maintsy mitrosa foana. Tsy mba nanana trano izahay fa nipetraka tamin’ny ray aman-dreninay. Nimenimenina ireo ray aman-dreninay fa ilaina ny trano: «Tokony hanao trano ianareo fa trano tokony hametrahana vokatra ity ipetrahanareo ity». Dia nifindra trano izahay ary nankao amin’ny tranon’ny anabavin’ny vadiko indray. Any Antananarivo mantsy io anabaviny io no mipetraka. Nomeny hefitra iray izahay hipetrahanay. Mba mamboly koa izahay ka rehefa miakatra ny katsaka sy ny vary dia nampidirina tao amin’ny hefitra nisy anay fa izahay eny ambany lavarangana no misakafo sy matory. Teo no nitsiry ny hetaheta hanao trano. Nahare ny fanentanana nataon’ny FANOITRA taty aminay izahay manentana ireo mpanao asa tanana dia nanatona ary vonona ny hiatrika ilay fiofanana. Maromaro ny fiofanana azonay fa ny tena nanaitra ahy dia ny fitantanana. Taloha rehefa mahazo vola izahay dia tsy hita ny vola miditra sy mivoaka. Matetika aza ny vola mivoaka no betsaka noho ny miditra. Taty aoriana tena voasoratray ny fandaniana rehetra ary nahafahanay

8 indray ilay kisoa dia nampianay ny vidin’ny varinay dia mahazoanay 1.300.000 ariary ary nividiananay omby vaventy iray. Rehefa azo ny omby dia nihindrana vola tamin’ny CECAM mba hividianana angadin’omby. Nihatsara ny vokatra eny antsaha satria ampy tsara ny zezika. Novainay indray ny fomba fiasa, ny vola azo avy amin’ny tady indray no anenjehanay sakafo isan-kerinandro fa ny vokatra eny an-tsaha natao in-dray mivarotra nividianana omby, moa lasa tsy dia nahavita tady betsaka intsony izahay fa narary ny masoko. 30 fehezana isan-kerinandro sisa no vitanay amin’izao kanefa tena mahavita ny sakafo sy ny fandaniana isan-kerinandro. Omby 4 izao no anananay, mbola misy reni-kisoa mampinono sy zanakisoa 10 ao izao. Ny tranonay vita soa amantsara ary efa ipetrahanay ny efitra rehetra. »2.500.000 ariary ny sarety iray, na lafo aza dia vinan’izy mivady ny hividy sarety atsy ho atsy. Ny andro atoandro matetika fotoana fiasany eny an-tsaka ka ny alina vao afaka miasa manady tady. Noho izany, manana heritreritra ny hividy jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro izy ireo ahafahany manohy miasa araka izay azony atao. Manana heritreritra ny hamboly taretra ihany koa mba hanampy amin’ny fitadiavana akora ihany koa izy mivady. Ireo no vinany ary raha ny fahitana ny fihafiana sy ny fikirizana nananan’izy mivady dia tsy hisalasalana ny hilaza fa ho tratrany ireo. Rehefa miverina any izahay Ramatoa Hary dia manantena hahita sarety eo antokontany a !

nanena ireo fandaniana tsy dia nilaina akory. Na eo amin’ny kapoaka arotsaka isan’andro aza nampiasanay ny fitantanana. Rehefa lany ny vary nambolena ka tsy maintsy hividy vary, raha tokony handrotsaka vary 3 kapoaka ohatra, dia nahenanay 2 kapoaka ihany ka ny iray kapoaka ambony nataonay any anaty boatin-drakitra ary efa nahazoanay kisoakely iray. Rehefa nahazo fiofanana momba ny fanadiana tady dia nanomboka niasa. Manangona akora izahay amin’ny atoandro: maka taretra, mamotsitra taretra, manasa sy manahy. Ny alina kosa no manao ny tady satria mba te hahavita betsaka. Nahavita tadikely 100 fehezana isan-kerinandro zahay tamin’izany, izany hoe fehezana iray ahitana tadikely madinika 20 isa eo ary 300 ariary ny ivarotana ny fehezany iray. Ny ampahatelon’ny vola azonay amin’ny tady no ataonay sakafo sy kojakoja ilainay ato an-trano, ny ambony rehetra kosa ampidirinay any anaty boatin-drakitra. Rehefa voangona betsabetsaka ny vola dia nanapa-kevitra fa hanao trano amin’izay. Voatsangana ny trano, voapetaka ny varavarana ary natao tafo bozaka aloha satria maika ny hifindra hialana amin’ny vavan’ny olona. Tsy mitsahatra ny fanaovana tady fa nitohy ihany. Nampiterahanay ilay kisoanay tao ary nahazoanay zana-kisoa 9 tamin’ny voalohany. Namidy 80.000 ariary ny zana-kisoa iray tamin’izay. Nampianay ny vidin’ny vokatray ny vidin’ny kisoakely 9 io dia nahazoanay 1.200.000 ariary nividianana omby iray. Volana maromaro taty aoriana dia niteraka

Mirehareha tanteraka tamin’ny ezaka vitany Ramatoa Hary mivady. Mbola vonona hatrany hampivoatra ny fiainana ambonimbony hatrany

PRO

SPER

ER 2

019

14

Page 15: Gazety boky MIOITRA...Ho ahy manokana betsaka ireo lesoka teo amin’ny fiainako: ny tsy fahampiana vola, ny fisian’ny aretina tamin’ny gana, ny fikorontanana teo amin’ny fitantanako

Laharana 040 Taona 2019

Toeram-pivarotana iray no naorina ao antapon-tananan’i

Mandrintsara ho an’ireo vehivavy mpandrary mivondrona ao anatin’ny Fikambanana Tantsaha Miray Samy Miezaka Morarano. 20 isa ireo nahazo fiofanana ny taona 2009 ary nivondrona tao anatin’ny Fikambanana avy eo. Ny fanaovana tady tsotra vita amin’ny taretra sy harona tsotra no nataon’ireto vehivavy ireto taloha. Kely ny vola miditra ary tsy nahavelona akory ny asa. Ny fambolena no asa nampivadiana ny rary tamin’izany. Ankoatry ny fahamoran’ny entana, sarotra ihany koa ny fivarotana noho ny tsy fisian’ny tsena ahafahana maneho ny vokatra. Rehefa nahazo ireo fiofanana momba ny teknika fanatsarana vokatra, ny fitantanana, ny tenona, ny fikirakirana rafia sns anefa dia nahitana fivoarana betsaka. Rehefa vita ihany koa ny toeram-pivarotana ao antapon-tananan’i Mandritsara dia mba nisy ny toerana nametrahana ny vokatra. Nisokatra alatsinainy hatramin’ny sabotsy ny toeram-pivarotana mba hanazarana ireo mpividy. Somary sarotra ny famolahana ny tsena teny am-boalohany, nihazatra tsikelikely ireo mpanjifa ka efa betsaka mpahafantatra ny fisiany akehitriny. Entana maro no hita ao an-tsena amin’izao: ny harona sy kojakoja vita amin’ny tady taretra notenonina, ny harona sy fitaovana hafa vita amin’ny rofia. Ireo dia asa tanan’ny Fikambanana Miray Samy Miezaka

fambolena tamin’izany dia tena tsy velona. Ny sira, ny siramamy, ny solintany sy ireo kojakoja kely amin’ny andavanandro, izay ihany no azon’ny vola azo avy amin’ny fivarotana tady. Eo amin’ny 15.000 ariary saky ny roa herinandro no vola miditra tamin’izay satria mahavita tady eo amin’ny 30 isa eo aho tamin’izay. Amin’izao, manodidina ny 500.000 ariary ny vola miditra amiko isam-bolana ary tena mahavelona ahy tsara mihitsy vokatry ny fanatsarana nataoko. Vao nanomboka nanao harona amin’izay aho dia nipetraka teto Mandritsara ary nifototra amin’ity asa ity. Hatramin’izay niasako zao efa nahazo masinina ampiasaina aho, nahazo omby 3 vaventy sady entina miasa no atao fanangonam-bola. Efa najanoko mihintsy ny fambolena fa dia ito no iainanay. Manofa trano 20.000 ariary isam-bolana aho eto Mandritsara, ary izaho koa ny miantoka ny saram-pianaran’ny zafikeliko 15.000 ariary eto. Tena tiako ity asa ity sady miteraka fifaliana ho ahy amin’izao efa fahanterako izao. Tsy izaho mihitsy ny hitavandra vola avy amin’ny zanako satria tena tsy tiako izany. Mandray vola foana aho isan’andro amin’ity asako ity. Esoesoin’ny olona izahay manao ity asa ity taloha satria kely ny vola azo, izao anefa tena mandray vola betsaka. Anentanako ny vehivavy maro izay mahita ity resako ity mihitsy fa mahavelona ity asa ity fa mahereza ary hajao tsara ny asa raha te hahazo vokatra aminy. Mbola tsy manana tokotany afaka hanorenana trano aho izao, ny fikasako aloha dia ny hividy tany ary hanaovako trano. Rehefa mahita tany aho ary hanomboka hanao trano vao hamidy ny omby.”

Tanoran’Ankady nahazo fiofanana tamin’ny 2016 nandritra ny 3 volana amin’ny rary. (Mampiasa satrana, nampianarina manafono raffia notenonina. 10 nahazo fiofanana fa 9 ihany no naharitra.

avokoa. Ankoatry ny rary dia hita ao koa ny fatana vita amin’ny tanimanga, ny totom-boanjo, sns vokatr’ireo orinasa madinika hafa mpahazo tohana ihany koa. Santionan’ireo mpikambana ao anatin’ny fikambanana misitraka ny fotodrafitr’asa i Soanjara sy i ………… Betsaka ireo fiovana tsapany ary tiany hampitaina amintsika anentanana ireo mbola misalasala tsy mandroso.

“Nanokatra tady izahay tamin’ny voalohany. Tady eo amin’ny 5 metatra eo amidinay 300 na 500 ariary any an-tsena taloha. nandre fanentanana tamin’ny radio fa azo atao ny manatsara sy mamokatra fitaovana maro amin’ny alalan’ny tady mba ho lafo vidy kokoa. Dia nanatona ny birao nisy ny FANOITRA zahay. 2 herinandro ny fiofanana azonay dia afaka nanenona taretra ary nanamboatra harona amin’izay. Amin’izao tsy harona ihany no vitanay fa karazany hafa ihany koa toy ny paoketra kely lafonay 2000 hatramin’ny 3000ariary… Mpamboly no tena asanay andavanandro taloha. Rehefa tsy fotoam-pambolena dia nanamboatra tady ary namidy. Raha tsy nanao

Ny asa tanana nanesoeson’ny olona anay no mamelona any ary nampitombo ny fari-piainanay

Ireo mpikambana ao anatin’ny Fikambanana Miray Samy Miezaka ao Mandritsara

PRO

SPER

ER 2

019

SOANJARA

SOAVOLOLONA Esperence

15

Page 16: Gazety boky MIOITRA...Ho ahy manokana betsaka ireo lesoka teo amin’ny fiainako: ny tsy fahampiana vola, ny fisian’ny aretina tamin’ny gana, ny fikorontanana teo amin’ny fitantanako

Laharana 040 Taona 2019

“Efa nandrary ny mamako taloha dia nampitsiriritra ahy ary nanana hetaheta ny handrary koa aho. Kilasy famaranana aho no niala tsy nianatra noho ny tsy fisiana vola nentina nanohy. Ny taona 2016 aho no nahazo fiofanana nandritra ny 3 volana momba ny fampiasana satrana, ny famonosana raffia, ny tenona raffia. Raha tsy nandray vola mihitsy aho taloha, amin’izao mandray 200.000 ariary isam-bolana. Milamina tsara ny fiainanay mianakavy ao an-trano.

tsirairay, maka 10 na 20 arakaraky ny alain’ny olona.”Miankina amin’ny fanapahan-kevitry ny tsirairay ny fandrosoany. Soanjara sy i …….. nandray avy hatrany ny fiofanana ary nahatoky ny tenany ka nanomboka namokatra, tsy mahagaga raha toy izao ny fandrosoany. Ary ianao mba ahoana?

Samy miasa izahay mivady ary samy mampidi-bola. Afaka mikarakara tsara ny zanakay ao an-trano aho satria ao an-trano ihany ny toerana fiasako nefa tena mahavelona mihitsy. Ny entana apetrako eto an-tsena aloha hatreto tsy dia maharitra elabe izany dia lafo e, izahay rahateo tena miangaly ny vokatray mihitsy. Hatreto aloha mbola vahiny na olona sendra mandalo no maka ny entana ato aminay kanefa tsy maintsy lafo foana izay vokatra aterina ato. Misy maka

Nanatsara ny fiainanay ny asa rary nohatsaraina nataonay

Sehatrasa 5 no misitraka ny toeram-pivarotana ao Befandriana: ny

tefy vy, ny rary, ny tantely, ny zaitra ny rafitra izay mivondrona anatin’ny Fikambanana Mihary. Taloha, samy nivarotra eny amin’ny lalana, tsena sy ireo azo ivarotana ny rehatra fa izao kosa efa mitambatra anaty toeram-pivarotana iray. Nanomboka ny taona 2010 no efa niara-niasa tamin’ireo orinasa madinika maromaro ny FANOITRA tao Befandriana Avaratra. Ny taona 2016, noho ny fanohanana ara-potodrafitr’asa dia natsangana ho fikambanana iray ireo orinasa madinika notohanana tao mba ahafahana mitantana ny fotodrafitr’asa.Ho an’ny sehatrasa momba ny rary manokana, mpandrary 16 mianadahy ireo mpikambana ao ary avy ao Befandriana Avaratra, Andranovo ary Beromba. Efa mpandrary avokoa izy ireo teo aloha saingy tsy matihanina: rary tsotra amin’ny vidiny 400 na 500 ariary ihany no vita; izany hoe rary nentin-drazana. Taty afara nisy fanatsarana ny asa taorian’ny karazam-piofanana azo toy ny teknika amin’ny rary, ny tenona, fikirakirana ny rofia, ny fitantanana… Ankoatry ny fiofanana, maro ireo foara efa nandefasana ny Fikambanana toy ny Ankolagny tany Antsohihy, Boeny Mionjo tany Mahajanga, Andro iraisam-pirenena ho an’ny Koperativa ny taona 2018,… «Tena nahita raha tsy fahitako betsaka aho taorian’ny namonjeko foara tany Manakara ny taona 2012. Nitombo ny fahaizako, ny mahazatra anay rafia foana no anaovana tahona harona fa rehefa tafaverina avy tany aho nampiako kakazo ary nampitaiko tamin’ny namana hafa fa tsara, teo koa ny fampiasana hoditra. Ha! tena

“Nianatra ho Paramed ny zanako ary efa miasa ao Antsohihy ao amin’izao. Mbola manan-janaka 2 hafa ihany koa aho izao mianatra eto Befandriana ary mba tiako hahavita fianarana ambonimbony ihany koa. Raha tsy nandrary aho dia inoako fa tsy vitako ny mampianatra ireo zanako ireo. Marina hoe eo ireo tohana nomen’ny Fandaharanasa fa ny tena marina dia ny finiavana taty amiko mihintsy no hitako nampandroso ahy sy nahazoako fahombiazana. Tena faniriako sy hetahetako ny mba hahavitako trano eto Befandriana. Mbola manofa trano mantrsy izahay amin’izao ary 20.000 ariary isam-bolana.Misy fifampifehezana ato anaty Fikambanana misy anay. Misy latsakemboka alohan’ny mpikambana mba entina hikojana ny toeram-pivarotana fotodrafitrasa. Hatramin’izao aloha mbola miantoka ny tranoheva hivarotanay ny Fandaharanasa fa rehefa any aoriana ka tsy eo intsony ny Fandaharanasa dia mifandamina izahay ary inoana fa afaka ny hahaleon-tena amin’izany fotoana amin’ny sarany rehetra.”

nampiova be ny endriky ny harona nataonay io fanatsarana io.” Hoy Andriamatoa …..Nitombo ny vola miditra: harona namidy 500 ariary teo aloha lasa 5.000 ariary hatramin’ny 15.000 ariary. Marobe ireo karazam-bokatry ny Fikambanana toy ny fametrahana sary vita amin’ny ravina akondro (cadre photo), ny paoketra, fitoerana mofo, harona, fitoerana kojakoja… Ny tsena aloha hatreto olona mandalo no tena mpividy ankoatran’ny mponina ao Befandriana Avaratra.

“Tsy azo lazaina ho asa tsotsotra ity rary ity fa tena ahafahana mivelona. Izaho io nampianatra ny zanako ho Paramed, vita soa aman-tsara ny fianaran-janako ary efa miasa izy ankehitriny miasa any ambanivohitra Mandritsara. Tsy voatery mila volabe no miasa azy fa na 5.000 ariary aza ny eo am-pelatanana dia efa azonao ahodina ahazoana vola. Ary manam-bola foana aho fa tsy mbola hitako hoe sahirana izany raha tsy hoe angaha tsy afaka miasa mandritra fotoana maharitra be, kanefa izahay koa efa nampianarina nanao tahiry dia mety tsy hisy izay fahasahiranana izay. Manana zanaka iray aho aho hanala bakalôrea amin’ity taona ity. Ny tanojoko atoato indray dia ny hampita io zanako io ary efa hiomana aho amin’ny fampianarana azy eny amin’ny Anjerimanontolo.”

16

RAHARISOA Justine

ELISABETH