102
fanofanana ireo delegen’ ny antoko pôlitika sy kandidà Boky ho an’ny mpampiofana

fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

  • Upload
    others

  • View
    1

  • Download
    0

Embed Size (px)

Citation preview

Page 1: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

!!

!

fanofanana ireo delegen’ ny antoko pôlitika sy kandidà

Boky ho an’ny mpampiofana

Page 2: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

Vokarin’ny Institut Electoral pour une Démocratie Durable en Afrique (EISA)

14 Park RoadRichmond, Johannesburg

P. O .Box 740Auckland Park 2006 - Afrique du Sud

T +27 11 381 60 00 - F +27 11 482 61 63email : [email protected] - site web : www.eisa.org.za

© EISA 2013

Page 3: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry
Page 4: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

FANOROAM-PEJY

Teny fampidirana ......................................................................................... 1Fanamarihana ho an’ny mpampiasa ny boky ........................................ 3Fandaharam-potoanan’ny fiofanana ....................................................... 7

FIZARANA 1 DEMOKRASIA, FIFIDIANANA ARY ANTOKO POLITIKA ............ 9

Toko 1. Demokrasia sy Fifidianana ..................................................................................................10Toko 2. Ny zotram-pifidianana ..........................................................................................................17Toko 3. Rafi-dalàna mifehy ny fifidianana eto Madagasikara  ..........................................19Toko 4. Ny mpandray anjara lehibe amin’ny zotram-pifidianana  ................................39Toko 5. Mari-pamantarana ny fifidianana malalaka sy tsy miandany ..........................47

FIZARANA 2  NY LAFINY LAMINA SY NY RINDRA ...................................... 53

Toko 1. Ny anjara asan’ny delege-n’antoko/kandidà............................................................54Toko 2. Ny fakàna delege .....................................................................................................................59Toko 3. Ny fanofanana ny delege ....................................................................................................63Toko 4. Ny fanaparitahana ireo delege .........................................................................................67Toko 5. Ny fanangonana vaovao ......................................................................................................72Toko 6. Fanadihadiana tranga sy tatitra .......................................................................................81

Tovana .......................................................................................................... 88

Page 5: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry
Page 6: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

1

Teny fampidiranaAnisan’ny ezaka mikendry ny famoahana an’i Madagasikara ao anatin’ny fahasahiranana lalina nilatsahany taona vitsy lasa izay ny fifidianana novinavinaina hatao. Mavesa-danja tokoa ireny satria sady dingana lehibe tsy azo ihodivirana amin’ny fampiharana ny demokrasia eto amin’ny firenena izany no fanamby iorenan’ny fampanaraham-penitra ny rafitra politika sy ara-panjakana, rehefa avy nandalo savorovoro politika sy sosialy lalina ny firenena.

Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry ny antoko sy ny mpanao politika izy. Hetsika mitondra fandriampahalemana no andrasana amin’izy ireo, mba hahafahan’ny fiarahamonina malagasy, izay rotidrotiky ny fahasahiranana lavareny, mandrafitra fehin-teny mitondra any amin’ny Tanjonaa ambony, dia ny fampandrosoana maharitra ny toe-karena sy ny olona.

Mifototra amin’ny fankatoavana ny tondrozotra ho famoahana an’i Madagasikara amin’ny krizy izay natao sonia tamin’ny 16 septambra 2011 ny fanodinana ny ezaka ho zava-misy azo tsapain-tanana. Io fifanarahana io no mamintina ny firosoan’ny mpitarika antoko politika lehibe amin’ny fiverenana amin’ny rafitra ara-dalàna, sy hitondra amin’ny filaminana ara-politika rava hatramin’ny taona 2009, noho ny fialan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana teo amin’ny fitondrana.

Anisan’ny fepetra nankatoavina ny fananganana lalàna vaovao mikasika ny antoko politika araka ny voalazan’ny teboka faha-12 ao amin’ny tondrozotra. Io fepetra nosoniavina tamin’ny 18 aogositra 2011 io no manome lalana ny antoko politika handray anjara « amin’ny fifidianana eo anivon’ny firenena, ny faritra, ary eny ifotony, irery na miaraka amin’ny antoko hafa » (andininy faha-24).

Tsy tokony hijanona ho fandrotsahana olona hifaninana eo anatrehan’ny mpifidy fotsiny, toy ny fahita matetika io fandraisana anjara amin’ny fifidianana io. Amin’ny vanim-potoana ankehitriny dia takin’ny fombam-pifidianana amin’ny antoko sy ny olona atolony ny hiarovany ny tombontsoan’ireto farany amin’ny fanaraha-maso akaiky ny hetsika samihafa mandritra ny dingana rehetra amin’ny fifidianana.

Araka izany, tsy voatokana ho an’ny sampandraharaham-panjakana misahana ny fifidianana (ho an’ny fanaraha-maso sy ny fanombanana ny asany), na ho an’ny mpifidy, ny firaisamonim-pirenena, ny haino aman-jery, ny fiarahamonina iraisam-pirenena, ny fanaraha-maso sy ny fanombanana ny hetsika natao nandritra ny fifidianana. Tokony handray anjara lehibe amin’izany ny antoko politika. Singanina manokana amin’izany ny fanaparitahana delege hanara-maso ny fizotry ny hetsika rehetra mandritra ny fifidianana, toy ny fanaon’ny fiarahamonim-pirenena ny delege-n’antoko na kandidà izany.

Page 7: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

2

Tokony hahomby io fanaraha-maso ny fizotry ny fifidianana ataon’ny antoko politika io, eo amin’ny fiarovana ny fahadiovan’ny fifidianana sy ny fitambaran’ny hetsika rehetra raketiny. Tsy mijanona eo amin’ny fanofanana sy ny fanaparitahana olona tsara sitrapo any amin’ny biraom-pifidianana amin’ny andro fandatsaham-bato izany. Tafiditra ao koa ny firotsahan’ny lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny antoko, araka izay azo atao, any amin’ny dingana rehetra lalovan’ny fifidianana, hatrany amin’ny fanondroana ny olom-boafidy mba hahazoana tombana ankapobeny mirindra. Izany ihany no fomba mahomby ahazoan’ny antoko politika sy ny olona atolony (kandidà sy delege) mandray anjara amin’ny fampihenana ny hosoka mety hanohintohina ny tombontsoan’ny antokony. Asa teknika mitaky fandrafetana soritrasa maty paika sy fahaiza-manao matihanina izany no tokony hataon’ny delege sy ny antoko naniraka azy.

Ity boky mirakitra torolalana ity dia natao indrindra hanampy ny mpiofana, ho fanatevenana ny fahalalan’ny antoko politika malagasy, mikasika ny andraikitra tokony hosahanin’ny antoko politika sy delege mba hiarovana ny fahadiovan’ny fizotry ny fifidianana. Nokendrena ihany koa ny hanomezana ny teknika fototra ilain’ireo mety ho voatendry hisolo tena ny antoko amin’ny dingana samihafa amin’ny fifidianana, mba hahafahan’izy ireo manatontosa antsakany sy andavany ny andraikiny.

Ity boky ity dia noforonina sy novolavolain’i Lucien Toulou sy Aimé Konan Kouadio niainga avy amin’ireo didy aman-dalàna mifehy ny fanomanana ny fifidianana eto Madagasikara, sy avy amin’ny traikefa voaangon’ny EISA sy ny mpiara-miombona antoka aminy nandritra ny taona maro momba ny fanampiana ara-teknika ny antoko politika. Nitarina izany taty aoriana tamin’ny alalan’ny tetikasa fitandrovana ny fahamarinana sy fangaraharan’ny zotram-pifidianana eto Madagasikara, ary novatsin’ny kitapom-bola kanadiana ho an’ireo ezaka ifotony (fonds canadien d’initiatives locales).

Mizara roa lehibe ity torolalana ity, ka ny tapany voalohany dia ahitana ny fahalalana fototra mikasika ny politika sy ny lalàna izay ilaina amin’ny fahazoana ny fizotry ny fifdianana sy ny andraikitr’ireo mpandray anjara lehibe ao. Maneho ireo tetika amam-paika takin’ny fahombiazan’ny fanaraha-maso ny fizotry ny fifidianana kosa ny tapany faharoa.

Antenaina fa hitari-dalana ny antoko politika tokoa ity boky ity, ary hamaly ireo fanontaniana manitikitika azy ireo mikasika ny rafitra teknikan’ny fizotry ny fifidianana, ary indrindra momba ny fandaminana sy ny fitantanana ary ny fandrindrana ny ezaka ataony, mba haneken’ny rehetra ny vokatry ny fifidianana tanterahina.

Page 8: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

3

Fanamarihana ho an’ny mpampiasa ny boky

Ho fanofanana ny mpampiofana sy ny delegen’ny kandidà ary nynatoko na vondrona politika no namolavolana ity torolalana ity. Noho izany, voafintina

ato ny lohahevitra mikendry ny fampiroboroboana ny kolontsaina demokratika ary ny fifehezana ny fahalalana fototra sy teknika momba ny fizotry ny fifidianana, ary ny tetika amam-paika itondran’ny antoko ny fanaraha-maso ny fifidianana

Novinavinaina haharitra telo andro ny fanofanana, ka mety havesatra amin’ny mpandray anjara sasany. Anjaran’ny mpanofana (miisa roa na telo) ny manome vahana ny fampandraisana anjara ny mpiofana mba hanamorana ny fampitam-pahalalana. Miara-miasa izany ny andaniny sy ny ankilany, ka fifampizarana traikefa tsy miandany ataon’ny vondrona politika samihafa no hisintonana fepetra hahazoana fomba fiasa mahomby kokoa.

Ho fanatanterahana izany, dia misy toromarika mikasika ny fomba fiasa hoenti-miantoka ny fifanakalozana sy ny fandraisana anjaran’ny isam-batan’olona ny toko tsirairay . Fanamorana ny fizotry ny fiofanana izany no tena andraikitry ny mpampiofana amin’ny famelana ny mpandray anjara hifanakalo hevitra sy fahalalana ary traikefa, ka raisina sy marihiny tsara hatrany izayy hevitra manan-danja.

Ankoatra an’ity boky misy torolalana ity, dia ilaina koa ireto fitaovana manaraka ireto hampitombina tsara ny fahalalana azo :

Takelaka fanamarinam-pahatongavana1. Taratasy be velarana2. Dity na lakaoly3. Taratasy misy dity (hanaovana « badge »)4. Penina matevin-tsoratra (marqueur)5. Takelaka fanaovana tombana6. Taratasy, penina ary pensilihazo ho an’ny mpandray anjara.7.

Raisina ho tari-dalana ihany ity boky ity mba hahazoana antoka fa voarain’ny mpandray anjara ireo fahalalana marina sy manan-danja, ka ho afaka mamita amim-pahatokiana sy amim-pomba matihanina ny andraikitra maha-mpitolona azy, izay notendrena hiaro ny tombontsoan’ny antoko na ny kandidà mandritra ny fizotry ny fifidianana.

Mba hahatomombana ny fahombiazana sy ny fandraisana anjaran’ny tsirairay mandritra ny fiofanana, dia misy hetsika savaranonando tokony hotanterahina, mba hifankahalalan’ny tsirairay sy hamaritana izay zavatra andrasany amin’ny

Page 9: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

4

fiofanana, ary koa hamoaka fitsipi-pifehezana mba hizoran’ny asa antsakany sy andavany.

Ilaina araka izany ireto fampiasana fanafanan-tena ireto.

Fampiasana fanafanan-tena A

Dingana 1 >Alaina ny gazety dia aforiporitra ho lasa bolabola kely. Lazaina amin’ny mpandray anjara fa hatoraka any amin’ny iray amin’izy ireo ilay bolabolan-taratasy. Ilay niantefany iny dia hilaza ny fanampin’anarany sy ny anarany ary ny isan’ny taona nanaovany ny asana mpampiofana.

Dingana 2 >Rehefa avy nanambara ny momba azy ny mpandray anjara niantefan’ny bolabola, dia manipy izany any amin’ny olona iray hafa indray. Kendrena tsara mba ho naharay ny bolabola indray mandeha avy ny tsirairay. Midika izany fa efa mba nandray fitenenana indray mandeha fara fahakelinyny tsirairay.

Dingana 3 >Marihina amin’ny takela-taratasy ny isan’ny taona naha-mpampiofana ny tsirairay, dia atambatra avy eo mba hahazoana ny fitambaran’ny taona naha-mpampiofana ny sokajy manontolo. Ohatra :

Malala 4 taonaNiaina 6 taonaFanja 8 taonaOny 3 taonaFitambarany 21 taona

Dingana 4 >Asaina mipetraka amin’izay ny mpandray anjara ary ampifandimbiasina milaza ny fikambanana niaviany sy ny amin’izay andrasany amin’ny fanofanana.

Page 10: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

5

Fampiasana fanafanan-tena B

Fomba roa no azo anatanterahana ity hetsika ity :

Sary mitovy isa amin’ny antsasaky ny mpandray anjara no ampiasaina. �Silahina roa ny sary iray mba hahazoana sila-tsary mitovy isa amin’ny mpandray anjara rehetra.

Takela-taratasy A4 mitovy isa amin’ny antsasaky ny mpandray anjara no �ilaina. Soratana ao amin’ny takelaka ny teny nalaina tao amin’ny voambolana fampiasa amin’ny fifidiana sy ny politika (mikasika ny fifidianana, ny governemanta, ny politika, ny fandatsaham-bato, ny fampielezan-kevitra...). Silahina roa ny taratasy avy eo, mba hitovy isa amin’ny mpandray anjara rehetra.

Dingana 1 >Asaina jeren’ny mpandray anjara ny sila-tsary na sila-teny eny aminy, dia ampikarohina izay olona manana ilay silany mifanandrify amin’ny azy izy. Rehefa mifankahita izy ireo, dia lazaina aminy fa miray toerana izy roamandritra ny fiofanana.

Dingana 2 >Omena 10 na 15 minitra ireo olona roa tafaray mba hifampizarany ireto zavatra manaraka ireto :

Mifanambara ny tenany izy ireo (anarana sy fanampin’anarana) ; �

Milaza ny asa ataony ; �

Mifampizara ny traikefa ananany mikasika ny fifidianana ; �

Maneho ny fahitany ny fifidianana ; �

Mifidy iray amin’izay andrasan’izy ireo amin’ny fanofanana. �

Asaina atolotry ny tsirairay amin’ny besinimaro ilay namany avy eo, araka ny hafatra nifampizarana teo, ary marihina eny amin’ny taratasy ilay zavatra andrasan’izy ireo amin’ny fifidianana .

Dingana 3 >Ampamakina ireo zavatra andrasana ny mpandray anjara rehetra, ary asaina fenoiny amin’izay tsy mbola voalaza ny lisitra. Tsara hazavaina izy ireny raha ilaina.

Page 11: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

6

Dingana 4 >Hazavaina amin’ny besinimaro fa ilaina ny mametraka fepetra entina mampizotra ny asa araka ny tokony ho izy, satria telo andro no tsy maintsy iarahan’izy rehetra.

Asaina manome « fepetra » na « fitsipika » mety hanampy amin’ny fampandehana ny fizotry ny fiofanana ny mpandray anjara. Fitsipika folo eo ho eo no tokony hivoitra amin’izany ary kendrena mba hanaja izao filamatra izao izy ireo : « ialana ny fihetsika mety hanohintohina ny fizotry ny fiofanana antsakany sy andavany » (fitsipika ankapobeny mamintina izay notanisaina rehetra, nefa koa mandravona izay hevitra tsy voaray).

Dingana 5 >Soratana amin’ny taratasybe ny fitsipika rehetra voalaza, ary asaina lanin’ny besinimaro amin’ny tehaka rehefa avy novakiny tsara.

Dingana 6 >Rehefa lany era ny fitsipika, dia tendrena indray izay ho « mpiandry » omena andraikitra hanara-maso ny fanajana azy ireny, ary hiteny izay tsy manara-dalàna.

Ampiharina amin’ny fanendrena ilay mpitahiry ny fitsipika ny toe-tsaina demokratika laroana vazivazy hanamaivanana ny rivotra iainana. Marihina fa mety hisy « sarisarin-tsazy » ampiharina amin’izay tsy manara-dalàna. Ohatra amin’izany ny fampandihizana ilay voasazy, ny fihorakorahana azy, ny fampandoavana vola iraimbilanja, …

Aorian’izay dingana savaranonando izay dia azo atomboka amin’ny famakiana ireo lohahevitra voafaritry ny fandaharam-potoana amin’izay ny fiofanana.

Page 12: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

7

Fandaharam-potoanan’ ny fiofananaVinavinaina haharitra telo andro ny fiofanana izay natokana indrindra hitrandrahana ireo lohahevitra samihafa natolotra araka izao fandaharam-potoana manaraka izao :

FIZARANA VOTOATINY ORAFanomboana

ORAFiafarana

ANDRO VOALOHANY

I.Demokrasia, Fifidianana ary Antoko

Politika

Teny fampidirana, zavatra andrasana sy fitsipi-pifehezana 8 h 30 9 h 15

Demokrasia sy fifidianana 9 h 15 1015FAKAN-DRIVOTRA 10 h 15 10 h 30Zotram-pifidianana 10 h 30 11 h 30Rafi-dalàna mifehy ny fifidiana eto Madagasikara (1) 11 h 30 13 h 00FISAKAFOANA 13 h 00 14 h 30Rafi-dalàna mifehy ny fifidiana eto Madagasikara (2) 14 h 30 16 h00

FIAFARAN’NY ANDRO VOALOHANY

ANDRO FAHAROA

I.Demokrasia, Fifidianana ary Antoko

Politika(tohiny)

Famintinana ny andro voalohany 8 h 30 9 h 15

Ireo mpandray anjara lehibe amin’ny fizotry ny fifidianana 9 h 15 10h30

FAKAN-DRIVOTRA 10 h 30 10 h 45

Ireo marim-pamantarana ny fifidianana malalaka sy tsy miangatra 10 h 45 12 h 30

FISAKAFOANA 12 h 30 14 h 00

II.Fandinihana fomba fiasa

Andraikitry ny delege ao amin’ny biraom-pifidianana 14 h 00 15 h 00

Fakana delege 15 h 00 16 h 00

FIARAFARAN’NY ANDRO FAHAROA

ANDRO FAHATELO

II.Fandinihana fomba fiasa

(tohiny)

Famintinana ny andro faharoa 8 h 30 9 h 00

Fanofanana ny delege 9 h 00 10 h 00

FAKAN-DRIVOTRA 10 h 00 10 h 15

Fanaparitahana ireo delege 10 h 15 11 h 15

Fanangonam-baovao (2) 11 h 15 12 h 30

FISAKAFOANA 12 h 30 14 h 00

Fanangonam-baovao (2) 14 h 00 15 h 30

Fanadihadiana tranga sy tatitra 15 h 30 16 h 30

FIARAHA-MIALA HETAHETA SY FAMARANANA NY FIOFANANA

Page 13: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry
Page 14: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

9

FIZARANA VOALOHANY DEMOKRASIA,

FIFIDIANANA ARY ANTOKO POLITIKA

Noho ny andraikitra sahaniny, dia mpandray anjara goavana politika amin’ny rafi-pifidianana sy amin’ny rafitra demokratika ny delege-n’antoko na

kandidà. Koa tsy tokony hijanona ho mpitolona na mpanohana politika tsotra ny olona tendrena, satria zava-dehibe ny fahafahany mifehy ny fitsipika ankobeny amin’ny zotram-pifidianana.

Mirakitra ny ankapoben-javatra momba ny anjara asan’ny antoko politika sy ny fifidianana ao anatin’ny rafitra demokratika ity fizarana lehibe voalohany ity. Kendrena amin’izany ny fampiroboroboana ny kolontsaina demokratika, ao amin’ireo olona afa-misahana ny anjara asan’ny delege-n’antoko sy ny fahazoana ny andraikitr’izy ireo, ny andraikitry ny mpandray anjara hafa ao amin’ny rafi-pifidianana ary ny rafitra demokratika eto Madagasikara.

Ireto ny lohahevitra hovahavahana amin’izany :

Ny demokrasia sy ny fifidianana ; �

Ny zotram-pifidianana ; �

Ny sehatra isehoan’ny fifidianana araka ny lalàna sy ara-panjakana ; �

Ny mpandray anjara vaventy amin’ny rafi-pifidianana ; �

Ny mari-pamantarana ny fifidianana malalaka sady tsy miangatra. �

Page 15: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

10

Page 16: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

11

Toko Voalohany Demokrasia sy Fifidianana

Tanjona

Amin’ny fiafaran’ny fandinihana ity lohahevitra ity, ny mpandray anjara dia ho afaka :

Manazava amin’ny fiteniny ny fahitany ny atao hoe demokrasia sy ny Êtraikefa ananany mikasika izany ;

Manazava ny andraikitry ny olompirenena ao anatin’ny fiarahamonina Êdemokratika ;

Manazava ny antony mahatonga ny fandraisana anjara amin’ny Êfifidianana ho singa lehibe mandrafitra ny demokrasia.

Teny fampidiranaHandinika lalina ny hevitra raketin’ny teny hoe demokrasia sy fifidianana ny mpandray anjara. Ny fifanakalozana amin’izany no ahalalana ny fiheverany ny atao hoe demokrasia sy ny andraikitry ny fifidianana ao amin’ny governemanta demokratika.

Dingana 1 >Asaina miaina ny zava-misy aroso eto ankavanana ny mpandray anjara, ary manolotra ny hevitr’ireo mpandray anjara tsirairay ao amin’ity seho an-tsehatra ity.

Dingana 2 >Tarihina ny mpandray anjara mba hiady hevitra amin’ny tombon-tsoa sy ny fatiantoka ateraky ny hevitry ny tsirairay, sy hamaritra izay hevitra manakaiky indrindra amin’ny azy, ary hamantatra ny tolo-kevitra mety hitondra any amin’ny governemanta demokratika.

Iza no hitondra ireo traboi-na eo amin’ny nosy haolo ?

26 izy ireo no navenjivenjin’ny rano-

masina teny, rehefa rendriky ny tafio-

tra mahery vaika ny sambo nitondra

azy : olon-dehibe 15, lehilahy 8 ary ve-

hivavy 7, miampy ankizy 11 latsaka ny

18 taona. Dimy andro taty aoriana dia

tonga teo amin’ny nosy iray haolo izy

ireo. Misy ny sakafo sy ny rano, saingy

tsy misy mponina ilay nosy. Inona no

tokony hatao’izy ireo mba hivelomana

mandra-pisian’ny famonjena ?

Nifanaraka ny besinimaro fa tsy maint-

sy asiana fitsipika enti-mametraka ny

fifankahazoana sy ny fiainana am-pi-

laminana. Iza anefa no handrafitra ny

fitsipika ?

Page 17: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

12

I Naina, 35 taona, no niteny voalohany : « Izaho no zokiny indrindra sy matanjaka indrindra. Noho izany, izaho no mahalala kokoa noho ianareo ny fomba iarovantsika tena. Koa, manomboka izao, dia izaho no mandidy ! »

Tsy neken’I Fanja 12 taona izany: « Ny besinimaro, no tokony hanapaka sy hankatoa ny fitsipika sy ny fanapahan-kevitra rehetra, ao anatin’izany ny tanora. Ilaina koa ny hevitr’izy ireo ! Samy manan-kambara ny tsirairay. Tsy ilaina ny mpanao didy jadona te hibaikobaiko anay. »

Hafa noho izany ny hevitr’i Rojo, 20 taona :« Maro loatra isika ka hanahirana ny haka ny hevitry ny tsirairay alohan’ny hanapahan-kevitra. Mety ho lany andro amin’ny ady hevitra isika. Ny fifidianana olona hisolo tena antsika no to-kony hatao. Azo atao solontena daholo isika, saingy tokony ho voafidy aloha. »

Ho an’i Nirina, dia tanora loatra ny sasany ka tsy tokony handray anjara amin’ny fa-napahan-kevitra :« Ny lehibe ihany no tokony hifidy sy handrafitra ny fitsipika hampiharina amin’ny daholobe. »

Nahatohina an’i Nary ny fizotry ny ady hevitra : « Hatramin’ny oviana indray ny zaza amam-behivavy no miteny eo anatrehan’ny lehilahy? Ny lehilahy no manapa-kevitra eto. Izay no izy. »

Inona moa ny atao hoe demokrasIa ?

Tsy  misy  sary  fakantahaka  na  famaritana  tsoa-tokana  ho  an’ny  teny  demokrasia.  Ny demokrasia  dia  sady  fomba  fitantanana  politika,  no  sary  fakantahaka  handrindrana  ny fiainam-bahoaka sy ny tontolo politika. Ara-piforonan-teny, ny teny hoe « demokrasia » dia avy amin’ny teny grika « demos » (vahoaka) sy « kratos » (fampiharam-pahefana / fahefana). Raha  atambatra  izany  dia  an’ny  vahoaka  ny  fahefana,  ny  fampiharam-pahefana  ary  ny fanapahan-kevitra.  Araka  izany,  ny  demokrasia  dia  voaray  amin’ity  fanambaràna  lazaina fa an’i Abraham Lincoln  ity hoe  :  « Fahefan’ny vahoaka ampiharin’ny vahoaka, ho an’ny vahoaka ». 

Saingy  noho  ny  fahasarotan’ny  fampiharana  izany  famaritana  izany  amin’ny  zava-misy, dia nipoitra ny famaritana hafa izay mampiseho ny demokrasia ho « fahefan’ny vahoaka ampiharin’ny avara-pianarana avy amin’ny vahoaka » na koa « rafi-pitondram-panjakana fehezin’ny vahoaka amin’ny alalan’ny solontenany voafidy ». Na ahoana na ahoana anefa, ny governemanta mitonon-tena ho demokratika dia tokony haneho ny fampiharana ny hevitry  ny  maro  an’isa,  ny  maha-tomponandraikitra  manoloana  ny  olom-pirenena  ary mitatitra aminy ny asa vitany isaky ny fotoana voafaritra.

Tsy ny tombon-tsoan’ny maro an’isa izay nifidy azy ihany anefa no heverin’ny governemanta demokratika, fa tokony harovany koa ny zon’ny vitsy an’isa. 

Page 18: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

13

Misy karazany roa lehibe ny demokrasia : ny demokrasia mivantana sy ny demokrasia tsy mivantana na demokrasian’ny fisoloantena :

Ny demokrasia mivantana : Io endrika iray io no nampiharina tamin’ny firenena grika fahiny.  Amin’ny demokrasia mivantana, dia mandray anjara mivantana ao amin’ny governemanta ny  vahoaka.  Araka  izany,  ny  ankamaroan’ny  asa  andavanandron’ny  governemanta  dia notontosain’ny filan-kevitry ny olom-pirenena. Ary na dia afaka nanapa-kevitra aza io filan-kevitra io, ny raharaha lehibe rehetra kosa dia tsy maintsy nandalo tamin’ny latsa-baton’ny Antenimiera izay ahitana ny olompirenena rehetra.  Io demokrasia mivantana grika io no heverina  fa  endrika  filamatry ny demokrasia:  takiny mba ho  avo ny  taham-pandraisana anjaran’ny olom-pirenena tsirairay.

Na izany aza, maro ny lesoka tamin’io rafitra io. Voailika ny vehivavy, ny andevo ary ny vahiny satria tsy heverina ho olompirenena  izy  ireny.   Etsy ankilany, nila  fotoana  lava  ilay rafitra na amin’izay fanapahan-kevitra bitika indrindra aza, satria tsy maintsy nandatsaham-bato ny ankamoroan’ny lohahevitra notapahina. Amin’izao fotoana izao, tsy azo tanterahina eo amin’ny sehatry ny firenena iray ny demokrasia mivantana. An-tapitrisany maro mantsy ny mponina amin’ny ankabeazan’ny firenena, ka tsy afaka handray anjara mivantana amin’io fomba fanapahan-kevitra io ny olompirenena rehetra. 

Ny demokrasian’ny fisoloantena :  io  no  karazana  demokrasia  mieli-patrana  indrindra ankehitriny. Amin’ny demokrasian’ny fisolontena, dia mifidy izay solontenany ny vahoaka ary  ireo no asaina mitondra ny fanjakana amin’ny anarany. Tsy maintsy tsarain’ny olom-pirenena amin’ny asa vitany ny solontena isaky ny fotoam-pifidianana voafaritra. Matetika ny  demokrasian’ny  fisolontena  dia  tondroina  ho  tsy  mavitrika  satria  tsy  tena mandray anjara amin’ny fomba fanapahan-kevitra ny olompirenena.

Ireo singa fototra mandrafitra ny demokrasia

Ny fifidianana andraisan’ny antoko maro anjara isaky ny fotoana voafaritra ;  �Ny hamaroan’ny firehana politika sy ny fahazakana ny fahasamihafana ; �Ny fanajana ny zon’ny olompirenena sy ny zo politika ; �Ny tamberin’adidy, ny mangarahara ary ny fandraisana anjara ;  �Ny fanasarahana sy ny fampifandanjana ny fahefana ; �Ny fanapariaham-pahefana ; �Ny miralenta ; �Ny fahaleovantenan’ny fitsarana ; �Ny fahalalahana sy ny fahaleovantenan’ny haino aman-jery ; �

Page 19: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

14

ny fIfIdIanana dIa : Fomba  fiasa  manokana  enti-manendry  mpitondra  ary  enti-mifantina  amin’ny  �fomba ankolaka firehana na teti-pandaminana fiaraha-monina ;Fanomezam-pahefana  hitondra  amin’ny  anaran’ny  vondrona  iray  mandritra  ny  �fotoana voafetra.

Maro  karazana  ny  fifidianana  arakaraka  ny  ambaratonga  anendrena  ny  mpitondra  sy arakaraka ny karazan’andraikitra omena ny olona voafidy : 

Ny fifidianana filoham-pirenena, �Ny fifidianana solombavam-bahoaka, �Ny fifidianana eny ifotony, �Ny fifidianana ho an’ny asa aman-draharaha. �

Misy koa ny fifidianana ambaratonga voalohany, ny fifidianana  isam-banim-potoana, ny fifidianana amin’ny ampahany, ny fifidianana mialoha ny fotoana, ny fifidianana aoraian’ny krizy na fifidianana ivoahana amin’ny krizy. 

Ireo anjara asan’ny fIfIdIanana : Manome rariny ny rafitra politika na governemanta iray ; �Miantoka ny famindram-pitokisana eo amin’ny olom-pirenena mankany amin’olona  �na antoko ;Miantoka ny fampitam-pahefana eo amin’ny vondrona iray mankany amin’ny iray  �hafa amin-pilaminana ary isam-banim-potoana voafaritra ; Mifantina sy maka mpitondra ;  �Miantoka  ny  fahafahan’ny  mpifidy  mivezivezy,  ny  fampahalalana  vaovao  sy  ny  �fanabeazana azy ;Mamaritra ny sehatra ifaninanana ho fakana fahefana ; �Mitantana ny fifanolanana politika amin’ny fomba milamina ; �Maneho ny hevitra sy ny tombontsoan’ny mpifidy ; �Mamela ny olom-pirenena hanara-maso ny mpitondra amin’ny famaizana azy na  �amin’ny fanavaozam-pitokisana;Manitsy ny politika ankapobeny sy ny fandaharana asan’ny governemanta ; �Mampisongadina maro an’isa hitondra fanjakana sy mpanohitra afaka hanara-maso  �ny governemanta sy handimby toerana azy.

Page 20: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

15

ny andraIkItry ny fIfIdIanana ao anatIn’ny demokrasIa

Tsy ny fanatanterahana « fifidianana malalaka sy tsy miangatra » akory no hany mari-drefy amantarana fa demokratika na tsia ny firenena iray.

Singa iray tafiditra amin’ny fampiroboroboana sy ny fanamafisana orina ny demokrasia ny fifidianana, saingy tsy ampy amaritana ny maha- demokratika ny firenena na ny fitondrana iray izy.

Any  amn’ny  firenena  sasany,  dia  misy  firehana  hanitatra  tafahoatra  ny  fampiharana ny  demokrasia  amin’ny  fanomezana  fahafahana  bebe  ihany  ny  mpanohitra  amin’ny fanomanana  ny  fifidianana.  Amin’ny  fotoana  anatanterahana  ny  fifidianana,  dia  tonga andro vitsy mialoha ny fandatsaham-bato ny mpanara-maso (indrindra ireo avy amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena) ary vetivety aorian’izay dia mody izy ireo sady manambara fa nalalaka ary tsy niangatra ny fifidianana natao (nofinofin’ny mpifidy ny hoe: fiandohana sy fiafaran’ny demokrasia ny fifidianana).

Fa  mandritra  ny  vanim-potoana    manasaraka  ny  fifidianana  mifanesy,  dia  voafetra  ny fahafahana sy ny zo politika, ary kely dia kely ny ezaky ny Fanjakana amin’ny fitandroana ny singa fototry ny demokrasia. Izany no manambara fa tsy ny fikarakarana fifidianana isaky ny vanim-potoana voafaritra no hany marika ahafahana mamaritra fa demokratika na tsia ny firenena iray.

Mety  hisy  fifidianana  miverimberina  amin’ny  fotoana  voafaritra,  nefa  tsy  voatery  hisy demokrasia amin’izany. Marina kosa anefa fa tsy misy ny demokrasia tsy misy fifidianana.

ny antoko polItIka ao anatIn’ny rafItra demokratIka

Amin’ny ankapobeny, ny antoko politika dia faritana ho fikambanana maharitra mahahenika ny firenena sy ny faritra manodidina, ary mikatsaka indrindra ny fakana fahefana, irery na miaraka amin’ny hafa, amin’ny alalan’ny fitadiavana fanohanan’ny vahoaka azy.

Araka izany famaritana izany, dia misy toetra samihafa manavaka ny antoko politika:

Fikambanana maharitra, �Fikambanana mahahenika ny firenena sy eny ifotony, �Ny fikatsahana fahefana, �Ny filana ny fanohanan’ny vahoaka. �

Mankatoa ny foto-kevitry ny fahalalahan’ny antoko politika ny Lalàmpanorenana malagasy, 

Page 21: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

16

ary  mamaritra  sy  mametra  ny  fananganana  azy  araka  ny  lalàna  (And  faha-14  amin’ny Lalàmpanorenana).

Ny lalàna faha-2011-012 momba ny antoko politika dia manome izao famaritana izao ao amin’ny And 2 

« Ny antoko politika dia manondro fivondronan’olom-pirenena manana vinavinan-drafi-piarahamonina  sy  firehen-kevitra  iombonana,  miezaka  hanatratra  tanjona  mitovy  mba hiarovana sy hampiharana fandaharana asa politika, ho fampandrosoana ny fiirenena eo amin’ny lafiny ara-piarahamonina, ara-toe-karena, ary ara-kolontsaina, amin’ny fametrahana solontena eo amin’ny rafi-pitondrana eny ifotony, eo anivon’ny faritra, ny faritany ary ny firenena ».

Anjara asa lehibe telo no mety hiandraiketan’ny antoko politika :

Ny fanofanana sy ny fampiroboroboana ny fanabeazana ara-politika : mandray anjara amin’ny fanofanana sy ny fampahalalana ny rafitra politika amin’ny olompirenena izy.

Toy izao no anoritan’ny And 2 amin’ny lalàna malagasy azy:

“mikendry  ny  fanehoan-tsafidy  ...  amin’ny  alalan’ny  fandraisana  anjara  amin’ny fifidianana, ny fanabeazana ho olompirenena sy ny fanabeazana ara-politika ary ny fampirisihana  ny  olompirenena  handray  anajara  amin’ny  fiainam-pirenena  sy  ny fiainana politika”.

Ny fanavaozana ny mpitarika politika amin’ny fifantenana ny olona arotsaka amin’ny  �fifidianana samihafa ;Ny tan-tsoroka atao amin’ny olom-boafidy: ny fifandraisana tsy tapaka eo amin’ny  �olom-boafaidy  sy ny antoko nanohana azy dia miteraka karazan-tan-tsoroka  izay loharanon’ny  fifampifehezana  arahina  amin’ny  latsa-bato  (manavaka  ny  antoko malefaka  amin’ ny antoko henjana).

Page 22: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

17

Toko faha-2 Ny zotram-pifidianana

TanjonaAmin’ny fiafaran’ny fandinihana ity lohahevitra ity, ny mpandray anjara dia tokony :

Hahafantatra fa ny fifidianana dia tsy trangan-javatra mihelina fa Êfitambarana hetsika maro ;

Ho afaka mamantatra ireo dingana telo lehibe amin’ny fanatanterahana Êfifidianana miaraka amin’ireo raharaha samihafa mifandray aminy ;

Ho afaka handrafitra soritrasa sy ny fampifandraisana ny fanaraha-maso Êny fifidianana amin’ny tetiandrom-pifidianana sy ny fandaharana asa nataon’ny CENIT.

Teny fampidiranaMaharitra andro iray na maromaro ny fifidianana, fa tsy mijanona fotsiny amin’ny andro andatsaham-bato akory; vondrona hetsika ahitana an’ireto asa ireto izy fara fahakeliliny :

Ny fandrafetana sy ny fandaniana ny lalàna tokony hifehy ny fandaminana �ny fifidianana ;Ny fandraisana sy ny fanofanana ny tompon’andraikitra amin’ny �fifidianana ;Ny fandrafetana ny fifidianana ; �Ny fanoratana ny anaran’ny mpifidy amin’ny lisi-pifidianana ; �Ny fanoratana ny antoko pôlitika ; �Ny fanendrena ny kandidà ; �Ny fampielezan-kevitra ; �Ny fametrahana ny biraom-pifidianana ; �Ny fomba fandatsaham-bato ; �Ny fanisana vato ; �Ny famoriana sy ny fanamarinana ny firaketana an-tsoratra ; �Ny fanambaràna ny voka-pifidianana ; �Ny famahana ny fifanolanana momba ny fifidianana ; �Ny fanitsiana ny lisi-pifidianana, ny fanamarinana azy ireny, ny fanombanana �sy ny fanavaozana ny raharaham-pifidianana.

Aorian’ny fiafaran’ny vondron-ketsi-pifidianana iray, dia tsara raha hatomboka sahady ny asa mikasika ny vondron-ketsika manaraka. Ny fitambaran’ny dingana rehetra ao anatin’ny vondron-ketsika no antsoina hoe zotram-pifidianana.

Page 23: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

18

Page 24: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

19

Toko faha-3 Rafi-dalàna mifehy ny fifidianana eto Madagasikara

Tanjona

Amin’ny fiafaran’ny fandinihana ity lohahevitra ity, ny mpandray anjara dia tokony :

Ho zatra mikirakira ireo fitaovana faritan’ny lalàna izay ampiasaina Êamin’ny fanombanana ny fizotran’ny fifidianana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ;

Hahalala ny fomba fanao mahomby amin’ny fikarakarana fifidianana ; Ê

Hanana jery faobe ny zava-misy amin’ny fanatanterahana ny fifidianana Êeto Madagasikara ;

Hahalala tsara ny Lalàmpanorenana, ny lalàm-pifidianana sy ireo fehezan- Êdalàna manokana miaraka aminy, ary ny tondrozotra nosoniavina tamin’ny 15 septambara 2011.

Teny fampidiranaIty toko ity dia manoritsoritra fohy ny zava-misy ara-pitondrana sy araka ny lalàna izay ampiharana ny fizotry ny fifidianana eto Madagasikara, ary manolotra ny vondrona tompon’andraikitra amin’ny fitantanana ny fifidianana. Izy ity koa no ahafahan’ny mpandray anjara mametraka sy mahazo ny fizotran’ny fifidianana ao amin’ny sehatra isehoany.

Dingana 1 >Asaina mitanisa ireo fitaovana lehibe mirakitra didy aman-dalàna mikasika ny foto-kevitra iorenan’ny fanatanterahana ny fifidianana ary ampahafantarina azy ny anjara asan’ireny foto-kevitra ireny raha mitaha amin’ny lalàna ankapobeny mifehy ny firenena.

Dingana 2 >Somary tarihina ny mpandray anajra ary asaina miady hevitra momba ny lafin-javatra mavesa-danja indrindra ao amin’ny Lalàmpanorenana malagasy, ny lalàna mifehy ny fifidianana ary ny tondrozotra vita sonia tamin’ny 15 septambra 2011. Singanina manokana amin’izany ny fandaminana politika sy ara-pitondrana, ny rafi-pifidianana ary ny vaomiera tompon’andraiktra amin’ny fitantanana ny fizotry’ny fifidianana.

Page 25: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

20

Ireo fenItra IraIsam-pIrenena, Isaky ny kontInenta ary Isaky ny zana-parItra momba ny fIfIdIanana

Tokony  hamaritra  mazava  ny  mari-drefy  ampisainy  amin’ny  fanombanana  ny  hetsika mandritra  ny  fifidianana  izay  ho mpanara-maso  ny  fifidianana.  Na  zava-dehibe  aza  ny famaritana hoe hatraiza ny fifidianana natao no manaja ny fitsipika ao amin’ilay firenena, dia ambaratongam-pandinihana iray ihany izany, satria mety hisy lesoka amin’ny fitsipika ao amin’ilay firenena. Mba hahazoana tsara amin’ny ankapobeny ny fizotry ny fifidianana, dia ilaina ny mandinika azy eo anivon’ny fenitry ny faritra sy ny fenitra iraisam-pirenena, ka jerena indrindra amin’izany ny firosoan’ilay firenena amin’ny fiarovana ny zon’olombelona izay nankatoaviny. 

Tsara anefa ny manavaka ny fenitra iraisam-pirenena amin’ny fomba fanao tsara eo amin’ny fanomanana ny fifidianana demôkratika. Ny fomba fanao tsara dia ireo fanao mahazatra efa miely patrana, ny lesona nianarana ary ny traikefa notsoahana avy amin’ny fizotry ny fifidianana tany amin’ny firenen-tsamihafa. Ny fenitra iraisam-pirenena kosa dia avy amin’ny andraikitra fototry ny firenena nalaina avy amin’ny dina iraisam-pirenena, ny fifanarahana ary ireo loharanon-dalàna mikasika ny lalàna iraisam-pirenena ho an’ny vahoaka.

 Atao inona ny fenitra iraisam-pirenena ?

Hampahatsiahivana ny Firenena ny amin’ny andraikiny manoloana ny  lalàna  irai-1. sam-pirenena izay nirosoany an-tsitra-po tamin’ny alalan’ny fanaovan-tsonia na ny fankatoavana manokana ;

Hamaritana foto-kevitra fanta-bahoaka, tsy miandany ary mangarahara entina ma-2. nombana ny fizotry ny fifidianana ;

Hananana fitaovana enti-manombana fifidianana any amin’ny firenena rehetra, ka 3. tsy miankina amin’ny fahasamihafan’ireo firenena, na ny dingana vitany amin’ny fi-rosoana amin’ny demokrasia sy ny fampandrosoana ;

Mba hamaritana fitambarana tanjona sy tarigetra amin’ny fanomanana fifidianana 4. izay ezahin’ny firenena rehetra tratrarina ; 

Mandray  anjara  amin’ny  fampirisihana  ny  fifampiresahana  eo  amin’ny  samy  fire-5. nena, sy amin’ny fanapariahana ireo fanao tsara eo amin’ny fanomanana fifidianana demokratika.

Tena  loharanon-kevitra  lehibe  ho  an’ny  delege-n’antoko  politika  ny  fitaovana iombonan’izao  tontolo  izao  nankatoavin’ny  Firenena  Mikambana  (ONU).  Amin’ny ankapobeny,  ireny  lalàna  ireny  dia  vokatry  ny  fifampiraharahana  na  ny  fifanakalozana diplomatika  teo  amin’ny  firenena  mpikambana  ary  lasa  tsara  laza  eo  amin’ny  sehatra 

Page 26: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

21

iraisam-pirenena. Ny Fanambarana  iombonana ny Zon’olombelona  izay nankatoavin’ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana tanteraka tamin’ny taona 1948 no fitaovana lehibe indrindra izay mametraka ny fototry ny fifidianana mendrika amin’ny fiantohana ny zon’ny olompirenena handray anjara feno amin’ny fitantanana ny raharaham-pireneny. 

Fanambarana iombonana ny Zon’olombelona, Andininy faha-21Ny olon-drehetra dia manana zo handray anjara amin’ny fitantanana ny raharaham-1. bahoaka ao amin’ny fireneny, na mivantana izany, na amin’ny alalan’ny solontena izay voafidy tamin-kalalahana.

Ny olon-drehetra dia manana zo hisahana, ao anatin’ny fepetra mitovy, ny anjara 2. asa mifandray amin’ny raharaham-bahoaka ao amin’ny fireneny. 

Ny sitrapon’ny vahoaka no fototra iorenan’ny fahefam-panjakana ; izay sitrapo izay 3. dia aseho amin’ny alalan’ny fifidianana mendrika, izay tokony hatao isaky ny vanim-potoana  voafaritra,  amin’ny  alalan’ny  fanehoan-tsafidy  mitovy  ataon’ny  olon-drehetra ary amin’ny latsa-bato miafina, na araka izay fomba mitovy amin’izany, ka afaka miaro ny fahalalahan’ny latsa-bato.

Ambonin’ny Fanambarana iombonana ny Zon’olombelona, dia miantoka ny fahafahana hiteny sy haneho hevitra, ny fahafahana hanorina fikambanana sy hivory ary ny zo hifidy, ny Dina iraisam-pirenena mikasika ny zo maha-olon-tsotra sy ny zo politika, tamin’ny taona 1966 izay nosoniavina sy nankatoavin’ny firenena 160. 

Dina iraisam-pirenena mikasika ny zo maha-olon-tsotra sy ny zo politika

Andininy faha-19Tsy tokony hisy olona hatahotra noho ny heviny.1. 

Ny olon-drehetra dia manana zo hiteny an-kalalahana ; tafiditra ao anatin’io zo io 2. ny fahafahana hitady sy hahazo ary hampiely vaovao sy hevitra, na inona na inona karazany,ary  tsy misy  famefifefena  na  kely  aza,  ataony  amin’ny  endrika  am-bava, na  an-tsoratra,  na  vita  printy  na  amin’ny  fomba  kanto,  na  amin’ny  fomba  hafa nofidiny.  

Ny fampiharana ny fahafahana voalaza ao amin’ny andininy 2 dia ahitana adidy sy 3. andraikitra manokana. Noho izany, mety handalo fameperana ilaina, izay tsy maintsy feran’ny lalàna izany :

(a) fanajana ny zo sy ny voninahitry ny hafa ;

(b) fitandroana ny fiarovam-pirenena, ny filaminam-bahoaka, ny fahasalamana na ny fitondran-tenan’ny vahoaka.

Page 27: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

22

Andininy faha-21

Nankatoavina ny zo hanao fivoriana am-pilaminana. Ny fameperana tena ilain’ny fiaraha-monina  demokratika,  izay  mifanaraka  amin’ny  lalàna  ihany  no  afaka  manakana  ny fampiharana  io  lalàna  io, ho an’ny  tombontsoan’ny fiarovam-pirenena sy ny filaminam-bahoaka na ho fitandroana ny fahasalamam-bahoaka sy ny toe-tsaim-piarahamonina ary ny zo sy ny fahafahan’ny hafa.

Andininy faha-22Ny olon-drehetra dia afaka manorina fikambanana amin-kalalahana miaraka amin’ny 1. hafa, ao anatin’izany ny zo hanangana sendikà sy hirotsaka ao mba ho fiarovany ny tombontsoanay.  

Ny fameperana tena ilain’ny fiaraha-monina demokratika, izay mifanaraka amin’ny 2. lalàna  ihany no afaka manakana ny  fampiharana  io  lalàna  io,    ho an’ny  tombon-tsoan’ny fiarovam-pirenena sy ny filaminam-bahoaka na ho fitandroana ny fahasa-lamam-bahoaka sy ny toe-tsaim-piarahamonina ary ny zo sy ny fahafahan’ny hafa.

Andininy faha-25

Ny olom-pirenena rehetra dia manana zo sy afaka : 

(a)  mandray  anjara  amin’ny  fitarihana  ny  raharaham-bahoaka,  na  mivantana  izany,  na amin’ny alalan’ny fisolontena izay nofidiny tamin-kalalahana ;  

(b) mifidy  sy  azo  fidina, mandritra  ireo  fifidianana mendrika  atao  isam-banim-potoana voafaritra, amin’ny fanehoan-tsafidy iombonana sy mitovy, ary amin’ny latsa-bato miafina, ho fiantohana ny fanehoan’ny mpifidy ny sitrapony amin-kalalahana.  

(d) mirotsaka amin’ny raharaham-bahoaka ao amin’ny fireneny manararaka fepetra mitovy ho an’ny rehetra.

Misy koa lalàna hafa mikasika ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny fanafoanana ny endri-panavakavaham-pirazanana rehetra (CERD), ny fifanarahana iraisam-pirenena mikasika ny fanilikilihana ny vehivavy (CEDEF) ary ny fifanarahana momba ny zon’ny sembana.

Page 28: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

23

Page 29: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

24

ny fenItra IraIsam-pIrenena

1. Fifidianana isam-banim-potoana raikitra

Nisy fifidianana natao ve ?• Fotoana firy taty aoriana ? • Mitombina ve io elanelam-potoana manasaraka fifidianana roa io ?• Misy fombafomba manokana ve niantsoana ny mpifidy ?• 

2. Fifidianana mendrika 

Tena misy fifaninanana ;• Voaantoka ny zo fototra ;• Mahaleo tena ary tsy miandany ny rafitra mikarakara ny fifidianana ;• Atokisan’ny olompirenena ny zotram-pifidianana.• 

3. Ny zo hirotsaka ho fidiana

Fepetra mitovy no mamaritra ny firotsahan-kofidina ;• Ny famerana ny zo hirotsaka hofidina dia tokony ho marim-pototra sy azo ekena ;• Tsy  tokony  hifototra  amin’ny  fanavakavahana  (ohatra  ara-panabeazana,  ara-• ponenana, araka ny   firehana politika) ny tsy  famelana antoko na olona hirotsaka hofidina ;Tsy tokony hisy voailikilika na ho very tombontsoa noho ny firotsahany hofidina ;• Tokony ho marim-pototra ny fepetra anekena ny firotsahan-kofidina (firaketana an-• tsoratrsa, antoka, sonia, etsetra) ;Tsy tokony hailikilika ny vehivavy sy ny vitsy an’isa.• 

4. Ny zo hifidy

Tokony ho afaka hampihatra ny zo hifidy ny olona  rehetra manana izany zo izany, • amin’ny alalan’ny fahafahana miteny, mivory sy manorina fikambanana ;Ny Fanjakana dia tokony hampiasa ny fomba rehetra mba hampiharana ny zo hifidy • ary tokony handray ny fepetra rehetra mba tsy hanakantsakanana ny fampiharana io zo  io.     mety ho sakantsakana amin’izany ny ambaratongam-pianarana vita, ny fahantrana, ny famerana ny fahafahana mihetsika ;Ny vaovao sy ny fitaovana ilaina amin’ny fifidianana dia tokony ho voasoratra amin’ny • fitenim-paritra. Tokony hampiasaina ny sary, ny kisary ary ny marika isan-karazany, mba hiantohana ny fahazoan’ny tsy mahay mamaky teny ny hafatra ampitaina. 

5. Ny fanehoan’ny rehetra safidy

Tokony hanana zo hifidy ny olom-pirenena rehetra ary iantohan’ny lalàna izany ;• Tokony ho marim-pototra ny famerana ny zo hifidy (ohatra : tsy fahampian’ny taona, • fepetra ara-ponenana) ;

Page 30: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

25

Tsy tokony hailika tsy hifidy ny voafonja mbola tsy voaheloka ;• Tsy  marim-pototra  ny  fanilihana  miorina  amin’ny  fahasembanana,  amin’ny • ambaratongam-pianarana ary amin’ny fananana.

6. Ny fitoviana eo amin’ny fanehoan-tsafidy

Mitovy ny isan’ny vato azon’ny mpifidy alatsaka : mpifidy iray , vato iray ;• Tokony hitovy ny latsa-bato ataon’ny tsirairay ;• Tsy tokony hanohintohina ny zon’ny olompirenena afaka manendry ny solontenany, • ny fepetra enti-mamaritra ny fari-piadidiam-pifidianana sy ny isan’ny toerana ;Ny manam-pahefana dia  tokony handray ny  fepetra  rehetra mba hiantohana ny • fampiharan’ny olompirenena azo fidina rehetra ny zony hifidy, tsy misy sakantsakana amin’ny alalan’ny fanoratana azy ao anaty lisitra sy ny fanomezana azy ny tsara ho fantatra  mikasika ny fifidianana ;Tokony ho azo antoka ary atokisan’ny olom-pirenena ny fanisana ny mpifidy. • 

7. Ny fandatsaham-bato miafina 

Manan-jo hanao latsa-bato miafina ny mpifidy, ary tokony handray fepetra iantohana • izany ny Fanjakana ;Ny mpifidy dia tokony harovana amin’ny karazana faneriterena manosika azy hilaza • izay olona hofidiny na izay nomeny ny vatony ;Tsy tokony hasian-tambiny ny fanampiana ny mpifidy tra-pahasahirana (sembana, • jamba, tsy mahay taratasy, sns) ;Tokony hampahafantarina ny mpifidy fa iantohana ny latsa-bato miafina nataony.• 

8. Ny fahalalana eo amin’ny fanehoan’ny mpifidy ny safidiny

Tokony haneho ny safidiny lavitra ny teritery mety hanohintohina ny fahalalahan’ny • fanehoana ny safidiny ny mpifidy ;Tokony ho afaka hanana ny heviny ny mpifidy, ary haneho izany an-kalalahana, tsy • misy  herisetra na fandrahonana, na hena-maso na fanelingelenana ;Tokony  harovana  amin’ny  endri-panelingelenana  tsy  ara-dalàna  na  tsy  marim-• pototra manoloana ny zotram-pifidianana ny mpifidy;Tokony hohajaina sy hampiharina ny voka-pifidianana ;• Tokony hiantohana ny fiarovana ny fitaovam-pifidianana ;• Tokony hatao eo anatrehan’ny solontenan’ny kandidà ny fanisam-bato ;• Amin’ny fomba azo ekena sy mendrika no anatanterahana ny fanisam-bato sy ny • firaketana ny vokatra ;Tokony hapetraka amin’ny fomba manetriketrika ny olona voafidy.• 

Page 31: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

26

ny fenItra Isaky ny kontInenta

Tsy  mba  toy  ny  fitaovana  iraisan’ny  besinimaro  nankatoavina  teo  anivon’ny  Firenena Mikambana ny fitaovana  isaky ny kontinenta,  fa mihatra   amin’ny firenena mivondrona ao anatin’ny fikambanam-paritra  toy ny Firaisam-be Afrikanina, ny Vondron’ny Firenena any  Amerika,  ny  Vondrona  Erôpeanina  na  ny  Firenena  mivondrona  ao  amin’ny Commonwealth. 

Ny Dina afrikanina momba ny zon’olombelona sy ny mponinaNankatoavina tamin’ny taona 1981 ;• Voafaritra ao amin’ny And 13 ny zon’ny olompirenena.• 

Ny Fanambaràna nataon’ny Firaisambe/Vondrona Afrikanina mikasika ny foto-kevitra mifehy ny fifidianana demokratika aty Afrika

Nankatoavina tany Durban ao Afrika Atsimo tamin’ny 08 jolay 2002  io fanambarana io, ary mamaritra ny foto-kevitra iorenan’ny fifidianana demokratika. 

Andininy faha-4

Ny fifidianana demokratika dia tokony : 

hatao an-kalalahana sy ara-pomba ;a. 

hifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana demokratika sy ny fehezan-dalàna mifanan-b. drify amin’izany;

ho tafiditra ao amina rafitra misy fisarahan’ny fahefana izay miantoka indrindra ny c. fahaleovantenan’ny fitsarana ;

hatao isaky ny vanim-potoana voatondro, araka izay voalaza ao amin’ny Lalàmpa-d. norenan’ny firenena ;

eo ambany fitarihan’ny rafitra mampivondrona, mahefa ary mangarahara izay ma-e. nana olona tsara ofana sy fitaovana ary fomba. 

Page 32: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

27

Ny Dina afrikanina momba ny demôkrasia, sy fifidianana ary ny fanja-kana tsara tantana

Tany Addis Abeba Etiôpia ny 30 janoary 2007 no nankatoavan’ny Fivoriana ara-potoana fahavalo  nataon’ny  ffikaonan-dohan’ny  filoham-pirenena  ao  anatin’ny  Firaisam-be Afrikanina.

Andininy faha-17

Ny  firenena  mpikambana  dia  manamafy  ny  fanekeny  hanatanteraka  fifidianana mangarahara,  malalaka  ary  marina  araka  ny  Fanambaran’ny  Firaisam-be  momba  ny Fotokevitra  mifehy  ny  Fifidianana  demokratika  manerana  an’I  Afrikaisaky  ny  vanim-potoana voatondro.   

Ho fampiharana izany, ny Firenena mpikambana dia tokony ::

Hanangana sy hanamafy orina eo anivon’ny firenena, ny rafi-pifidianana mahaleo 1. tena tsy miandany mba hiandraikitra ny fitantanana ny fifidianana ;

Hanangana sy hanamafy orina eo anivon’ny firenena ny fombafomba enti-mamaha 2. ao anatin’ny fotoana fohy ny fifanolanana eo amin’ny fifidianana ; 

Hanao izay hampitovy ny fahazoana sehatra eo amin’ny haino aman-jerim-panja-3. kana mandritra ny fifidianana ; 

Hampandany fitsipi-pitondran-tena  izay  ifampifehezan’ny  antoko politika,  ny go-4. verenemanta ary ny mpanao politika hafa, mialoha sy  mandritra ary aorian’ny fifi-dianana. Io fitsipika io no mirakitra ny finiavan’ny mpanao politika hanaiky ny voka-pifidianana na hanohitra izany amin’ny fomba voafaritry ny lalàna. 

Ny SADC sy ny fifidianana ao amin’ny Firenena mpikambana ao anatiny

Eo anivon’ny zana-paritra, ny Fivondronana ho Fampandrosoana ny Faritra atsimon’i , sy ny Fihaonam-ben’ny parlemantera ao (fikambanana roa mizaka tena ireo), dia samy mandray anjara mavitrika amin’ny fampivoarana ny mason-tsivam-pifidianana.  

Nankatoa ny « Foto-kevitra sy ny torolalana mifehy ny fifidianana demokratika » ny SADC  tamin’ny  fihaonana  an-tampony  natao  tany  amin’ny  nosy  Maorisy  tamin’ny  volana septambra  2004. Ny  voalohany  amin’ireo  foto-kevitra  ireo dia manantitra  fa  tena  ilaina ny  «  fampandraisana  anjara  feno  sady manontolo  ny  olom-pirenena,  amin’ny  zotram-pifidianana  »,  izay  voalohany  amin’ny  fepetra  takin’ny  fanatanterahana  fifidianana.  Tsy hadino koa ny tsy fiandanian’ny rafitra mpikarakara fifidianana, ny fanabeazna ny mpifidy, 

Page 33: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

28

ny  fanekena  sy  ny  fanajana  ny  voka-pifidianana  izay  «  nambaran’ny  tompon’andraiki-pirenena mahefa, araka ny lalàn’ilay firenena tamin-kalalahana sy ara-pomba ».  

Ny  torolalana  kosa  dia  manoritsoritra  amin’ny  antsipiriany  ny  zo  aman’andraikitry  ny mpanara-maso avy amin’ny SADC, ary mifarana amin’ny fitanisana manontolo ny andraikitry ny Fanjakana amin’ny fikarakarana fifidianana. Tsy mijanona eo amin’ny fampanajana ny zo  maha-olona sy politika «ara-drazana » ananan’ny olona sy ny antoko ihany ny andraikitry ny  Fanjakana,  fa  tonga  hatrany  amin’ny  fanatanterahana  ny  raharaha  ilaina  amin’ny fampahombiazana ny fifidianana eo amin’ny lafiny rafi-panjakana sy fandaharana asa ary foto-drafitrasa, ary izany dia mba hiantohana ny fahombiazan’ny fifidianana. Farany, misy fanamarihana iray ao mampahatsiahy fa tena ilaina ny fanomezana vahana ny fandraisana anjaran’ny vehivavy, ny sembana ary ny  tanora amin’ny  lafiny  rehetra   amin’ny zotram-pifidianana ».

(Guy S. Goodwin-Gill, Élections libres et régulières, Union Interparlementaire, Genève, 2006)

Ny LalàmpanorenanaManome  lanja  ny  foto-kevitry  ny  fifidianana  malalaka  sy  demokratika • (savaranonando) ;Mitana  ny  fifidianana  ho  fitaovana  na  fomba  tokana  ara-drariny  entina  maka • fahefana ;Mamaritra ny fepetra entina mifidy Filohan’ny repoblika ; • Mandray ny vahoaka ho loharano voalohanin’ny fiandrianana (And 5) ;• Manome lanja ny fahalalahana hamorona antoko sy hanao hetsika politika (And 14 • andl 2).

Ny lalàna faha-2011 – 012 momba ny antoko pôlitika sy ny faha-2011 – 013 mikasika ny satan’ny antoko mpanohitra

Mamaritra ny fepetra famoronana sy fomba firafitra ary fomba fiasan’ny antoko (And • 5 hatramin’ny 19) ;Fikambanana tsy natao ahazoam-bola ny antoko politika. Vinam-piarahamonina sy • fandaharanasa  politika no mampivondrona ny olompirenena malagasy ao (And 2) ; Manome lanja ny  fahalalahan’ny antoko politika hanao hetsika manerana ny tany • sy ny firenena ;Mamaritra ny anjara asan’ny antoko politika eo amin’ny fanehoan-tsafidy, ary ny zo • aman’andraikiny.

Page 34: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

29

Hatramin’ny  nahazoany  fahaleovantena  tamin’ny  26  jona  1960,  Madagasikara,  izay zana-tany frantsay, dia niharan’ny hotakotaka politika maro, nifandimbiasan’ny fomba demokratika    sy  tsy  demokratikan’ny  fitondrana  tetezamita  mankamin’ny  fahefam-panjakana.  

Tamin’ny 14 septambra 1960 tokoa mantsy no voafidy ho filohan’ny repobika voalohany i Philibert TSIRANANA, izay mpitarika ny antoko PSD.  Voafidy indroa miantoana izy (1965 sy 1972). Saingy voampanga ho nanome vahana ny tombontsoa frantsay, manoloana ny vahoaka malagasy izay nianjadian’ny fahantrana sy ny fanambakana, ka niatrika ny fikomiam-bahoaka  izay nanery azy hiala teo amin’ny fitondrana mba hodimbiasan’ny Jeneraly Gabriel RAMANANTSOA tamin’ny 18 mey 1972.

Taorian’ny fitsampan-kevi-bahoaka tamin’ny 8 oktobra 1972 no niala tamin’ny  fomba ofisialy i TSIRANANA, ary napetraka ny tetezamita politika maharitra 5 taona, teo ambany fitarihan-dRAMANANTSOA. Telo taona taty aoriana anefa, dia voatery niala koa ity farany, ary  nodimbiasan’ny  kolonely  Richard  RATSIMANDRAVA,  izay  maty  novonoin’olona enina andro monja taorian’ny nandraisany ny fahefana  (05 febroary 1975 – 11 febroary 1975). Nampalalaka ny fiakaran’ny Capitaine de frégate Didier RATSIRAKA teo amin’ny fitondrana izany tamin’ny 15 jona, iny taona iny ihany.

Nandritra ny fe-potoana voalohany naha-filoha azy (1975 – 1982) no nanatontosan’ity farany  fanovana  lehibe  teo amin’ny  lafiny politika  sy  rafi-panjakana. Ny 30 décembra 1975 no nambara tamin’ fomba ofisialy ny Repoblika Demokratikan’i Madagasikara, ary nasongadina ny firehana vaovao sosialista narahina, (na dia nanambara ho tsy momba ny atsy na ny aroa aza i Madagasikara).  

Tamin’ny taona 1991, rehefa avy nofidina indroa miantoana koa RATSIRAKA dia niatrika hetsika politikan’ny vahoaka, satria  tsy nandiso  fanantenana ny fitondrana notarihiny. Niafara tamin’ny fananganan’ny « Hery Velona »(nivondronan’ny mpanohitra rehetra), governemanta teny an-dalam-be notarihin’ i ZAFY Albert ny hetsika (volana jona 1991).

Nisedra famoretana nandatsahan-dra ny hetsika, nefa afaka nampilefitra ny fitondrana RATSIRAKA ihany izany tamin’ny fanaovana Fifanarahana nampijoro ny Fahefana Avon’ny Firenena izay notarihin’i ZAFY Albert ary nomena andraikitra hitondra ny tetezamita. 

Nolanina sy nankatoavina tamin’ny 18 septambra 1992 ny Lalàmpanorenana vaovaon’ny Repoblika fahatelo, nikendry indrindra ny fanafoanana ny mety hanaovan’ny filoha didy jadona, sy ny fananganana ny Fanjakana tan-dalàna. Sambany mba hentitra sy nazava ny  fisafidianana  ny  fitondrana  parlemantera.  Niteraka  fiovan-drafi-pitondrana  lalina 

Page 35: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

30

izany (filohan’ny repoblika tsy tompon’andraikitra ara-politika, governemanta fehezin’ny parlemanta, fiverenan’ny rafitra mpanao lalàna roa). 

Ny  10  febroary  1993  no  nandresy  tamin’ny  fifidianana  filoham-pirenena  i  ZAFY  ary namerina ny firenena tamin’ny rafitra ara-dalana. Tsy naharitra anefa ny volan-tantely, ary niatrika fahasahiranana politika indray ny Repoblika fahatelo, vokatry ny disadisa teo amin’ny parlemanta sy ny filoha, izay nanamora ny fiverenan-dRATSIRAKA tamin’ny 29 desambra 1996.

Dimy  taona  taorian’izay,  nandetika  ny  firenena  tao  anaty  fahasahiranana  indray  ny fifidianana  filoham-pirenena.  Notoherin’i Marc  RAVALOMANANA,  izay mpifanandrina voalohany  tamin’ny  filoha  amperinasa,  ny  voka-pifidianana  nambaran’ny  Fitsarana Avon’ny Lalàmpanorenana niandrasana fihodinana faharoa.

Notohanan’ny  fikambanana  vitsivitsy  tao  amin’ny  firaisamonim-pirenena  izy,  dia nitarika ny vahoaka hidina an-dalam-be ary nanendry tena ho filohan’ny repoblika ny 22  febroary  2002.  Rehefa nohamarina ny  voka-pifidianana,  nambara  tamin’ny  fomba ôfisialy fa mpandresy izy tamin’ny 29 aprily 2002 et napetraka ho filoha tamin’ny fomba manetriketrika iray volana taty aoriana. 

Tsy  nahatafavoaka  an’i  Madagasikara  tamin’ny  fahasahiranana  koa  anefa  ity  farany, satria  notoherin’ny  ampahana mponina,  na  dia  voafidy  fanindroany  aza  tamin’ny  03 desambra 2006. Niafara  tamin’ny herisetra mantsy ny fihetseham-bahoaka notarihin’i Andry  RAJOELINA, ben’ny  tanànan’Antananarivo,  izay nofaizin’ny mpiaro ny  filoham-pirenena.  

Nitohy tamin’ny fikomian’ny manamboninahitra lefitra akaiky ny mpanohitra izany, ary niafara tamin’ny fionganan-dRAVALOMANANA sy ny fananganana fitondrana miaramila; izay nanome ny fahefana an’ i Andry RAJOELINA, ary napetraka ho filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita izy tamin’ny 21 marsa 2009.

Hatreo no mankaty, dia izy izany no mitondra ny tetezamita, izay tokony hiandraikitra ny fanomanana fifidianana ankapobeny eken’ny olona, ary afaka hamerina ny fitoniana eto amin’ny firenena. Ireto ny zavatra efa vitan’io fitondrana tetezamita io hatramin’izao : 

Ny  fankatoavana  ny  Tondrozotra  ho  famoahana  an’i  Madagasikara  amin’ny  �fahasahiranana.  Fifanarahana  politika  nankatoavina  fa  eo  ambany  fiahian’ny SADC, ary natao hanorina fitoniana politika mba hahafahana manatanteraka ny raharaham-pifidianana hivoahana amin’ny fahasahiranana ;Ny fankatoavana ny Lalàmpanorenana vaovao tamin’ny volana septambra 2011,  �izay nametraka ny fototry ny Repoblika malagasy faha-IV ;Ny  fananganana  governemanta  mampivondrona  ny  ankolafy  lehibe,  eo  �ambany  fitariahan’ny  Praiminisitra  notendren’ny  Filohan’ny  Tetezamita,  Andry 

Page 36: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

31

zo aman’andraIkItry ny antoko polItIka(Araka ny voalaza ao amin’ny lalana momba ny antoko politika sy ny lalana momba ny satan’ny antoko mpanohatra))

ZO ANDRAIKITRAFiarovana ny anarany, ny sary famantarana azy, ny loko sy ny marika hafa mampiavaka azy 

Fanajana ny firaisam-pirenena, ny maha-iray tsy mivaky ny firenena, ary ny fotoke-vitra demkratika 

Fitovian’ny fahafahana mampiasa ny haino aman-jerim-panjakana 

Manambara ny fijoroany isan-taona alo-han’ny faran’ny volana aprily

Fampahalalana ny fiainam-bahoaka Manamarika ao anatin’ny efa-bolana ny fiovana ao amin’ny fiainan’ny antoko 

Fanontana tahirin-kevitra na gazety boky  Fanajana ny lalàna eo amin’ny tany sy ny firenena

Fanontana tahirin-kevitra na gazety boky Mandray anjara amin’ny fampivoarana ny toe-tsaim-piarahamonina

Fanolorana mpirotsaka hofidina amin’ny fifidianana

Manofana ny mpikambana ao aminy

Fivoriana sy fihetsiketsehana Manentana ny olompirenena amin’ny fandraisany anjara 

Fanoherana (And 4 lalàna  momba ny satan’ny antoko mpanohitra)

Manao tatitra

Fanoherana (And 11 momba ny satan’ny antoko mpanohitra)

Tsy manorina na manohana miaramila na fikambanan’olona mitam-piadiana 

Manara-maso ny governemanta (And 11 amin’ny efa voalaza)

Famatsiam-bola

RAJOELINA ;Ny  fametrahana  rafitra mpanao  lalàna vonjimaika  (Kongresin’ny Tetezamita  sy  �Filan-kevitra Ambonin’ny Tetezamita) izay mifototra amin’ny fampivondronana ary  mikendry  ny  fanamorana  ny  fandrafetana  ny  fehezan-dalàna  mifehy  ny Tetezamita. 

 Ny fifidianana eto Madagasikara dia  fehezin’ny didy aman-dalàna  izay mamaritra ny fomba fanatanterahana azy.  Ireto avy  izany  : ny Lalàmpanorenana, ny  lalàna mikasika ny antoko politika, ny lalàm-pifidianana sy ny fehezan-dalàna manokana roa (momba ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavam-bahoaka) tamin’ny volana jolay 2012, ny  lalàna momba ny zo maha-olompirenena, ny  lalàna manorina ny CENIT, ny  lalàna momba  ny  Fitsarana  manokana  ny  fifidianana,  ny  Tondrozotra  ivoahana  amin’ny fahasahiranana.

Page 37: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

32

Ny lalàna fehizoro faha-2012 – 005 momba ny Lalàmpifidia-nana

I. ny zo hIfIdy

Ny Lalàmpanorenana malagasy ho an’ny Repoblika faha-4 dia mamaritra fa manana ny fiandrianany ny vahoaka izay loharanom-pahefana, ary mametraka ihany koa ny foto-kevitra milaza  fa mpifidy  avokoa ny olompirenena  lahy na  vavy mizaka ny  zo maha-olona sy ny zo politika  (And 5 andl 4).

Ny  lalàm-pifidianana  indray, mifandraika  amin’izay  ihany,  dia milaza  ao  amin’ny  And 3, andl 1° fa mpifidy avokoa ny « olompirenena malagasy  tsy ankanavaka na  lahy na vavy,  feno  18  taona  amin’ny  andro  anaovana  ny  latsa-bato,  ka mizaka  ny  zo maha-olompirenena sy zo politika ». 

Izany  fepetra  izany  dia manilika  tsy  hanana  zo  hifidy  ny  olompirenena  vahiny  sy  ny Malagasy  tsy  feno 18  taona  (tsingerin’ny andro nahaterahana miampy andro  iray) na izay iharan’ny didim-pitsarana raikitra , izany hoe tsy afaka mampiakatra fitoriana intsony ka manala aminy ny zo hifidy araka ny voalazan’ny And 4 amin’io fehezan-dalàna io.  

Misy  lesoka  kely  ihany  ny  lalàm-pifidianana  eo  amin’ny  fitovian’ny  «  olompirenena malagasy  rehetra  »,  raha  manavaka  ny  Malagasy  teratany  izay  hany  mahazo  ny tombontsoa faritan’ny And 3, andl 1°  amin’ny fanana zo hifidy, amin’ireo izay olona tsy Malagasy nomena an’io zo io. Mandalo fotoam-pisedrana dimy taona izy ireo manomboka amin’ny didim-panjakana nandraisana azy ho Malagasy. Mbola fanontaniana mipetraka koa  ny  hoe  tafiditra  amin’izany  ve  ny  vehivavy  mizaka  ny  zom-pirenena  malagasy tamin’ny alalan’ny fanambadiana.

II. ny zo hIrotsaka ho fIdIana

Tsy  ahitan-teny  firy  ny  lalàm-pifidianana  momba  ny  fepetra  ahafahana  mirotsaka hofidina.  And  5  hatramin’ny  7  ihany  mantsy  no  natokana  ho  an’izany,  ka  mandefa hijery any amin’ny lalàna manokana raha ny fitsipika mamaritra ny sokajim-pifidianana sy ny  fepetra  tsy ahafahana mirotsaka hofidina aryy ny toe-javatra  tsy afa-miaraka no ifotorana. 

Ny olana dia tsy misy lohateny ao amin’ny lalàm-pifidianana maneho fitsipika manokana mikasika ny  karazam-pifidianana,  toy ny  fahita mahazatra. Manery ny mpanao  lalàna handinika ireny fanontaniana ireny izany mba handaniany lalàna vaovao, hamenoana 

Page 38: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

33

ny banga. Ho vita izany amin’ny 10 sy 12 jolay 2013 izay hanaovana ny fifidianana ny filoha sy ny solombavam-bahoakan’ny repoblika faha-4. 

Voalaza  ao  amin’ny  fiafaran’ny  And  5  ao  amin’ny  lalàm-pifidianana  fa  «  azo  fidina, tsy  anavahana  ny  maha-lahy  na  ny  maha-vavy,  ny  olompirenena  malagasy  rehetra mahafeno  ny  fepetra  ho  mpifidy,  sy  ny  fepetra  takin’ny  lalàna  manokana    isaky  ny  sokajim-pifidianana ; singanina amin’ireny ny fisoratana ao anaty lisi-pifidianana sy ny taona takin’ny lalàna fa hahafahana mifidy ». 

Mba  hahazoana  fanazavana  bebe  kokoa  dia  jereo  ny  Lalàmpanorenana mikasika  ny fifidianana Filohan’ny Repoblika. Ireto àry ny fepetra voatanisa ao amin’ny And. 46 :

Malagasy : tsy misy fanavahana mikasika ny firazanany ; • Mizaka ny zon’ny olom-pirenena sy zo politika ;• Feno  35  taona  fara  fahakeliny  amin’ny  vaninandro  ifaranan’ny  fametrahana  ny • taratasy firotsahan-kofidina ;Nonina teto amin’ny tanin’ny Malagasy nandritra ny enim-bolana fara fahakeliny, • mialoha ny vaninandro farany fametrahana ny firotsahan-kofidina.

Ny And.5 amin’ny lalàna 2012-015 (tamin’ny 10 jolay 2012) mikasika ny fifidianana ny filoham-pirenena voalohan’ny Repoblika faha-4 dia maneho ny fepetra ara-ponenana, sy ny fisoratana ao amin’ny lisi-pifidianana ary ny fandoavan-ketra ara-dalàna.  Ankoatra ny  fandoavana antoka 50 000 000 Ariary, dia  tsy  tokony ho voaheloka ny mpirotsaka hofidina.

Ho an’ny fifidianana solombavam-bahoaka, ny And 8 amin’ny lalàna  2012-016 (12 jolay 2012) dia mametraka ireto fepetra ireto, ankoatra ny fandoavana hetra ara-dalàna sy ny tsy mbola nahavoaheloka :

Mahefeno ny fepetra maha-mpifidy ;• Malagasy ;• Monina eto amin’ny tanin’ny Repoblika malagasy ;• Feno 21 taona katroka amin’ny vaninandro andatsaham-bato ;• Mizaka ny zon’ny olompirenena sy zo politika ;• Voasoratra  ao  amin’ny  lisi-pifidianana  any  amin’ny  iray  amin’ny  fari-piadidiam-• pifidianana manerana ny firenena.

III. ny fandatsahambato

III.1. Ny fizotranyNy fomba fandatsaham-bato dia voasoritsoritra ao amin’ny toko VII amin’ny volavolan-dalàna  fehizoro mikasika  ny  lalàm-pifidianana. Aorian’ny  fombafomba  fanokafana ny 

Page 39: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

34

birao,  toy ny  fanamarinana  fa  foana ny vata ary mihidy  tsara, dia misokatra ho an’ny vahoaka ny birao. 

Tokony harahi-maso tsara ny mpifidy tsirairay miditra ao amin’ny birao sao misy marika ranomainty tsy hay kosehina, mitory fa efa nandatsahany vato izy. Avy eo, dia tokony hanamarinina ny maha-izy azy  sy ny fisoratany anarana ao amin’ny lisi-pifidianana. 

Dia asaina maka biletà  iray  ilay mpifidy, ary asaina mankany amin’ny efitra fitokanana mba haneho ny safidiny, raha tsy izany dia asaina mivoaka izy. Tsy maintsy marihina fa ny lalàna malagasy dia mametra fa latsa-bato amin’ny biletà tokana no hatao (And 54).

Rehefa vita ny safidy, dia afaka mampiditra ny biletà voaisy marika ao amin’ny vata natao talaky maso ao an’efitrano ny mpifidy, alohan’ny hanaovany sonia na  lavo tondro eo amin’ny lisitra natokana ho an’izany.

Ny kandidà, ary ny mpanara-maso nahazo alalana dia afaka manaraka ny raharaham-pifidianana rehetra, ny fanisam-bato any amin’ny birao rehetra isehoan’ireny raharaha ireny. (And 95).

Ny lalàm-pifidianana malagasy aza dia mamela ny mpanara-maso hanao fanamarihana, fanoherana  na  fandavana  ao  amin’ny  firaketana  an-tsoratra,  aloha  na  aorian’ny fanambaràna ny voka-pifidianana. Io fepetra izay mihatra amin’ny kandidà sy ny delege-ny io manelingelina an-kitsirano ny fitsipi-pitondran-tena amin’ny fanaovana fanaraha-maso tsy miandany amin’ny fifidianana. 

Misokatra amin’ny 6 ora maraina ka hatramin’ny 5 ora hariva ny biraom-pifidianana izay ahitana olona 5 (filoha  iray, filoha  lefitra  iray, mpanampy roa, ary mpitantsoratra  iray). Amin’ny main-tany (eo anelanelan’ny 30 aprily sy 30 novambra) ihany no anaovana ny latsa-bato ary amin’ny fotoana andavanandro. Raha mametra araka izay mahamety azy ny andro andatsaham-bato ny sampandraharaha mikarakara ny fifidianana, dia tsy afa-miala amin’io fotokevitra mamaritra ny andro mety io, izy raha tsy mahazo alalana avy amin’ny fitondram-panjakana mahefa.

III.2. Ny famoahana sy ny fanangonana ny vato amin’ny toerana iray

Ny  lalàna  fehizoro  mikasika  ny  Lalàm-pifidianana  dia  ahitana  fepetra  maharitra manoritsoritra ny fombafomba fanatanterahana ny famoahana sy ny fanisana ny vato.   

Page 40: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

35

Anteriny  tokoa  fa  azon’ny  besinimaro  atrehina  ny  famoahana  ny  vato  izay  atao  ao amin’ny biraom-pifidianana, izay misokatra ho an’ny mpifidy rehetra.

Araka ny fomba fanao, dia ny fanendren’ny delege-n’ny kandidà izay ho mpanisa vato no atao mialoha. Raha tsy afaka ireo, dia afaka maka solony amin’ny mpifidy manatrika eo. 

Aorian’izay, dia azo atomboka ny fandrindrana voasoritrsoritry ny And. 102. Famaranana sy filazana ny  isan’ny mpifidy ao amin’ny  lisitra nanaovana  sonia no atao amin’izany, alohan’ny hanokafana ny vata mba hamaritana sy hanambarana ny isan’ny vato. 

Inona  no  mitranga  raha  tahiny  ka  tsy  mifanandrify  ireo?  Izay  ny  fanontaniana.  Efa neritreretin’ny mpanao  lalàna malagasy  tokoa  izany,  ka ny  vahaolana arosony dia ny fanalana vato an-kisendrasendra mitovy  isa  amin’izay mihoatra,  raha  toa  ka ny  isam-bato no manatombo amin’ny isan’ny sonia. 

Manome famaritana antsipiriany kokoa momba izany ny And 105. Araka ny voalaza ao tokoa, dia tsy miditra amin’ny fitambaran’ny vato azon’ny mpirotsaka hofidina : 

ny vato fotsy ;• ny vato tsy misy ny marika ampy amaritana ny safidin’ny mpifidy ;• ny vato nanehoan’ny mpandatsa-bato ny tenany na misy marika anaty na ivelany • mety hahafantarana azy ;ny vato misy marika na soritra na sary manompa. • 

IV. ny fanambaràna sy ny fIfanolanana eo amIn’ny Voka-pIfIdIanana

Tsy maintsy  ambaran’ny CENI-T  ao  anatin’ny  folo  andro manaraka ny  fandraisana ny antontan-taratasy farany avy any amin’ny rantsana mpanamarina isam-bato, ny voka-pifidianana vonjimaika (And 121 ao amin’ny lalàm-pifidianana).

Tsy  maintsy  alefan’ireo  rantsana  ireo  ao  anatin’ny  24  ora  aorian’ny  fandraisany  ny antontan-taratasy  avy  any  amin’ny  biraom-pifidianana  ,ny  taratasy  rehetra  takin’ny lalàna (And 120).

Voalazan’ny  lalàm-pifidianana  fa  ny  rafi-panjakana mahefa  no manambara  ny  voka-pifidianana raikitra. Amin’izay lafiny izay, dia miavaka amin’ny fepetra voalazan’ny lalàna manokana nolanina tamin’ny volana jolay 2012, ny fepetra ankapobeny faritan’ny lalàm-pifidianana (lalàna mikasika ny Fitsarana Manokana momba ny raharaham-pifidianana, ny fifidianana ny filoha sy ny solombavam-bahoaka voalohan’ny Repoblika faha-4).

Page 41: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

36

IV.1. Ny fepetra ankapobeny amin’ny lalàm-pifidianana

Ny And 131 amin’ny lalàm-pifidianana dia milaza fa ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana  (HCC)  no  manam-pahefana  mahefa  amin’ny  fifanolanana  eo  amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka,  ny  fifidianana  filoham-pirenena  sy  solombavam-bahoaka  ary loholona. 

Ny fitsarana momba ny ady amin’ny Fanjakana kosa no tompon’ny teny farany amin’ny fifanolanana eo amin’ny fifidianam-paritra.

Manan-jo  hitory  ao  anatin’ny  10  andro manomboka  amin’ny  fifaranan’ny  latsa-bato ny :

Mpifidy rehetra voasoratra anarana sady nifidy ;• Mpirotsaka hofidina, ny delege-ny na ny solontenany ara-dalàna ;• Mpanara-maso avy eto an-toerana rehetra ;• Voafaritra  ao  amin’ny  And  135  sy  136  amin’ny  lalàm-pifidianana  ny  endriky  ny • fitoriana sy ny fepetra mamaritra ny fametrahana azy.

Voafaritra ao amin’ny And 135 sy 136 amin’ny lalàm-pifidianana ny endriky ny fitoriana sy ny fepetra mamaritra ny fametrahana azy. 

Ampahafantarina an’ilay olona torina ny fitoriana sy ny taratasy rehetra miaraka aminy, raha  vao  voaray,  dia  manana  15  andro  ilay  voampanga  hanangonany  ny  taratasy hiarovany tena.  

Rehefa dila io fe-potoana io, dia manana 15 andro hatrany ny andaniny mba hamaliana ny fehin-tenin’ny ankilany.

Aorian’ny fehin-teny, dia afaka manapa-kevitra araka ny lalàna misy sy ny fitsipika mifehy ny asany. 

IV.2. ny fepetra farItan’ny lalàna manokana

Araka  ny  voalazan’ny  And  27  ao  amin’ny  lalàna  mikasika  ny  fifidianana  ny  filoha voalohan’ny  Repoblika  faha-4,  dia  ny  CENI-T  no manapaka  sy manambara  ny  voka-pifidianana  vonjimaika  ao  anatin’ny  10  andro  manaraka  ny  naharaisany  ny  taratasy farany avy amin’ireo rantsana mpanamarina isam-bato.

Ampitaina « ao anatin’ny fotoana farany izay fohy » any amin’ny Fitsarana Manokana ny Raharaham-pifidianana (CSE) ireo vokatra ireo. Araka ny voalazan’ny And 1° sy 2° amin’ny 

Page 42: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

37

lalàna momba ny CES, dia  sampana manokana ao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) io rafitra io ary ahitana mpikambana 09 : 

Ny filohan’ny HCC • Mpahay  lalàna amperinasa ao amin’ny  laharana voalohany 08,  ka ny 2 momba • ny  lalàna, ny 4 momba ny  raharaham-panjakana, ny 2 momba ny  tetibola,  izay nofidin’ny fikambanan’ny mpahay lalàna.

Izy no manatanteraka ny fanambarana ny voka-pifidianana raikitra ao anatin’ny 15 andro manaraka ny  fanambaran’ny CENI-T ny voka-pifidianana vonjimaika  (And 27 amin’ny lalàna momba ny fifidianana filoham-pirenena).

Mahefa koa ny CES amin’ny tsy fanekena ny fifidianana solombavam-bahoaka araka ny fepetra sy ny endrika  faritan’ny Lalàm-pifidianana  (And 57 amin’ny  lalàna momba ny fifidianana solombavam-bahoaka).

Page 43: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

38

Page 44: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

39

Toko faha-4 Ny mpandray anjara lehibe amin’ny zotram-pifidianana

Tanjona

Amin’ny fiafaran’ny fandinihana ity lohahevitra ity, ny mpandray anjara dia tokony :

Ho afaka mamantatra ireo mpandray anjara samihafa amin’ny zotram- Êpifidianana ;

Ho afaka mamaritra ny anjara asa tanan’ny tsirairay amin’ny zotram- Êpifidianana ;

Ho zatra amin’ny karazana hetsika ifandraisany amin’izy ireo tsirairay Êavy.

Teny fampidiranaAto amin’ity asa ity, dia hamantatra izay olona mpandray anjara amin’ny zotram-pifidianana sy ny rafi-panjakana demokratika ao aminy ny mpiofana. Hohadihadiany ny fifandraisana misy eo amin’ireo mpandray anjara samihafa ireo sy ny sehatra mety hisian’ny fifandonana.

Inona avy ny anarana entiny sy ny anjara toerany ao amin’ny firenena ? �

Inona no anjara asa tokony hotanan’io olona io ? �

Inona avy ny fahasamihafana eo amin’ny fahazoan’ny tsirairay ny anjara asa �eo amin’ny firenena.

Page 45: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

40

SEHO 1

Fantaro ny mpandray anjara ao amin’ny sary.1. Inona ny anjara asa tanan’izy ireo ?2. Hazavao araka ny fiteny mahazatra anao izay miseho eto.3. Inona ny fifandonana mety hiseho hitanao? Inona ny fepetra heverinao 4. fa tokony hapetraka mba hisorohana ny fifandonana amin’ny toe-javatra toy ireny ?Mahafantatra zavatra napetraka ve ianao enti-misoroka ny mety ho 5. fifanolanana mitranga ?

Page 46: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

41

SEHO 2

Fantaro ny mpandray anjara ao amin’ny sary.1. Inona ny anjara asa tanany ao amin’nio zotram-pifidianana io ?2. Hazavao araka ny fiteny mahazatra anao izay miseho eto.3. Inona ny fifandonana mety hiseho hitanao ? 4. Inona ny zavatra heverinao fa tokony hapetraka mba hisorohana ny 5. fifandonana amin’ny toe-javatra toy izao ?Mahafantatra zavatra napetraka ve ianao enti-misoroka ny fifandonana 6. na ady mety hiseho ?

Page 47: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

42

SEHO 3

Fantaro ny mpandray anjara ao amin’ny sary.1. Inona ny anjara asa tanany ao amin’nio zotram-pifidianana io ?2. Hazavao araka ny fiteny mahazatra anao izay miseho eto.3. Inona ny fifandonana mety hiseho hitanao ? 4. Inona ny zavatra heverinao fa tokony hapetraka mba hisorohana ny 5. fifandonana amin’ny toe-javatra toy izao ?Mahafantatra zavatra napetraka ve ianao enti-misoroka ny fifandonana 6. na ady mety hiseho ?

Page 48: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

43

ny VaomIeram-pIrenena mahaleotena mIsahana ny fIfIdIanana (CenI-t)

Ao  anatin’ny  Tondrozotra  natao  sonia  teo  ambany  fiahian’ny  SADC,  dia  nifanaiky  ny mpanao politika malagasy fa hanohy ny fifampidinihana mba hananan’ny firenena rafitra marimaritra iraisana sy mampivondrona mandritra ny tetezamita.

Araka izany, ao amin’ny teboka II.10.a amin’io fifanarahana politika io, ny mpandray anjara dia nahatsapa ny tokony « hanitarana ny firafitry ny CENI sy ny hanavaozana ny andraikitra fototra  tanany  mba  hifandanja  ny  solontenan’ny  Mpanao  Politika  Malagasy  rehetra nankatoa an’io Tondrozotra io ».

Io rafitra io no « tokony hiandraikitra ny fikarakarana ny fifidianana rehetra, ao anatin’izany ny  fifidianana  solombavam-bahoaka,  filohan’ny  repoblika  sy  ny  tompon’andraikitry  ny kaominina. Noho ny fananany fahefana feno amin’ny fitantanana ny zotram-pifidianana, dia manana andraikitra izy amin’ny fiantohana ny fizotry ny fifidianana an-kalalahana, am-pahamarinana ary ao anatin’ny mangarahara. Mitsahatra eo amin’ny famoahana ny voka-pifidiana vonjimaika ny fahefana fenon’ny CENI-T.»

Ny kandidà/antoko politika sy ny delege-ny

Any amin’ny  rafitra demokratika môderina,  dia manana  andraikitra politika goavana ny antoko politika. Ary raha fifidianana no resahina dia antoko politika izay.

Fikambanana mifaninana eo amin’ny  fanehoana ny safidiny ny antoko na ny vondrona politika. Izay tanjona voajanahary haka sy hampiasa ny fahefana politika izay no mampiavaka azy amin’ny sendikà, ny vondrona mpanao tsindry hevitra na fikambanana hafa.  

Ny antoko politika miaraka amin’ny kandidà no mpandray anjara lehibe amin’ny zotram-pifidianana.

Ny fikambanana ao amin’ny firaisamonim-pirenena (OSC)

Amin’ny ankapobeny dia avondrona amin’ny anarana hoe « firaisamonim-pirenena » na koa hoe  “fiarahamonim-pirenena” ny hery velona rehetra ao amin’ny firenena, izay manao hetsika  miaraka  eny  amin’ny  kianjam-bahoaka,  ary  mizaka  tena  raha  mitaha  amin’ny Fanjakana  sy  ny  fahefam-bahoaka.  Ny  sendikà,  ny  fikambanana  tsy  miankina  amin’ny fanjakana,  ny  antokom-pivavahana,  ny  haino  aman-jery,  ny  vondron’ny  matihanina arakasa, ny fikambanam-behivavy na tanora dia karazam-pikambanana tafiditra ao amin’ny 

Page 49: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

44

firaisamonim-pirenena. Anisan’ny toetra fototry ny demokrasia ny fisian’ny firaisamonim-pirenena matanjaka sady maro firehana.

Noho ny fiasany maimaim-poana sy ny  fahafahany mampivondrona ny sehatra  rehetra ao amin’ny fiarahamonina, dia mety hanao hetsika manokana mandritra ny fifidianana ny firaisamonim-pirenena, ohatra eo amin’ny fanabeazana, ny fanentanana ary ny fanaovana tantsoroka tsy miangatra ny mpifidy. Mety ho arofanina koa ny firaisamonim-pirenena ao amin’ny zotram-pifidianana.

Ny haino aman-jery

Tena ilaina ny haino aman-jery  amin’ny fizotry ny fifidianana demokratika. Tsy ny fisian’ny latsa-bato ara-dalàna ihany no ilazana fa malalaka sy marina ny fifidianana, fa ny fahafahana mahazo fanazavana sy vaovao mikasika ny antoko sy ny vondrona politika, ny mpirotsaka hofidina  sy  ny  zotram-pifidianana,  mba  hahafahan’ny  mpifidy  mandatsa-bato  amim-pahalalana. Araka  izany, misy  fifanoheran-kevitra  anatiny  ihany ny  fifidianana  lazaina  fa demokratika raha tsy nandray anjara feno tao na tsy tena malalaka ny haino aman-jery.

Ny mpifidy

Ny mpifidy no  fototry zotram-pifidianana   sy ny  fanehoana ny safidim-bahoaka. Ho toy inona moa izany fifidianana tsy misy mpifidy izany, na fampiorenana mpifidy marina ? 

Fepetra kely indrindra amin’ny fifidianana rehetra ny fisiana vondrona mpifidy voafaritra mazava.

Ny fiarahamonina iraisam-pirenena

Na dia efa fampiasa matetika amin’izao vaninandro izao aza ny voambolana “fiarahamonina iraisam-pirenena”  dia  somary  manjavozavo  ihany  ny  heviny,  satria  tsy  misy  ny  lalàna iorenany ka mety hanana dikany maro izy. Anisan’izany ireto :

Ny fitambaran’ny Firenena mpikambana ao amin’ny Firenena Mikambana ; • Ny firenena rehetra eran-tany tsy misy fanavahana ;• Ny firenena izay eken-teny eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.• 

Amin’ny zotram-pifidianana  ivoahana amin’ny fahasahiranana, ny fiarahamonina iraisam-pirenena dia manana andraikitra tsy mitsaha-mitombo amin’ny famatsiam-bola (amin’ny alalan’ny  «  basket  fund  »  na  kitapo  iombonana  avy  amin’ny mpamatsy maro),  amin’ny fanohanana  teknika  (amin’ny  alalan’ny mpanolo-tsaina  amin’ny  fifidianana  avy  amin’ny PNUD) na amin’ny  fanaraha-maso  (amin’ny alalan’ny komity mpitantana  ivondronan’ny mpandray  anjara  teknika  nasonaly  sy  iraisam-pirenena  ary  ny  mpamatsy  vola,  ao anatin’izany koa ny Fanjakana).

Page 50: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

45

Ny  lalàna    faha-2012  –  004  mametra  ny  firafitra,  ny  fiasa  ary  ny  andraikitry  ny  rafi-pirenena antsoina hoe Vaomieram-pirenena Mahaleotena Misahana ny Fifidianana ho an’ny Tetezamita.

I. ny andrIakItry ny CenI-t

Araka ny voalazan’ny And 5 amin’ny lalàna momba ny CENI-T, dia iandraiketany : 

Ny raharaha mifandray amin’ny lisi-pifidianana ;• Ny fikarakarana sy ny fanaraha-maso ny raharaham-pifidiana ;• Ny fikarakarana sy ny famoahana ny voka-pifidianana vonjimaika ;• Ny famaritana ny politikam-panabeazana mikasika ny fifidianana sy ny fandrindrana • ny asa mifamatotra amin’izany. 

Noho ny andraikitra tanany eo amin’ny fanaraha-maso ny fanajan’ny mpandray anjara rehetra ao amin’ny zotram-pifidiananany lalàna mikasika ny fifidianana amin’ny fomba hentitra,   dia ny   CENI-T no mamaritra ny tetiandrom-pifidianana, ary « miara-miasa » amin’ny manam-pahaizana iraisam-pirenena izy amin’izany.

II. ny fIrafItry ny CenI-t

Ho  setrin’ny  finiavana  hampivondrona  sy  hametraka  fifandanjana  voalazan’ny Tondrozotra mba hivoahan’i Madagasikara amin’ny fahasahiranana, ny mpanao lalàna malagasy dia nametraka tsinjaraisa amin’ny firafitr’io rafitra io, ao amin’ny And 20 amin’ny lalàna mikasika ny CENI-T. Ankoatra, ny filohany tokoa, dia ireto avy izy ireo : 

10 avy amin’ny fiarahamonim-pirenena malagasy ;• 02 solontenan’ny Fitondram-panjakana  (Minisiteran’ny atitany sy ny fanapariaham-• pahefana) ;01  notendren’ny  tsirairay  amin’ny  antoko  sy  vondron’antoko  nanao  sonia  ny • tondrozotra.

III. rafItra sy fomba fIasan’ny CenI-t

Ny  lalànamifehy  ny  CENI-t  dia mamaritra  ny  fisian’ireto  sampandraharana manaraka ireto :

Birao Maharitra �   ahitana  ny  Filohan’ny  CENI-T,  filoha  lefitra  2roa  (2)  ary mpampaka-teny  ankapobeny  roa  (2).  Raha  faritan’ny  lalàna  mazava  tsara ny  satan’ny  Filohan’ny CENI-T,  dia  tsy  ahitan-teny  loatra ny momba ny  anjara asan’ireo mpikambana hafa ao amin’ny Birao,  fa milaza  fotsiny  izy mikasika ny fandrindran’ireo mpikambana ireo ny zana-baomiera samihafa .

Page 51: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

46

Zana-baomiera enina �   (6)  (raharaha momba  ny  lalàna  sy  ny  fitsarana  /  lasim-pitaovana na lojistika  /  fanaraha-maso sy tombana :fanabeazana ny olompirenena sy  fifandraisana  amin’nyfiraisamonim-pirenena/tetikasa  sy  fiaraha-miobona antoka/fifandraisana amin’ny antoko politika)Ny Sekretarià Mpanatanteraka Nasionay �    dia  tantanin’ny Sekertera nasionaly rah  any  sehatry  ny  firenena  noesahina.  Ny  CENI-T,  tohanan’ny  mpiara-miombona antoka iraisam-pirenena  no mandray azy ho eo amin’izany toeran’ny sampandraharam-pitantanana  sy  teknika  izany,  arak  any  voaralitra  ao  amin’ny And 44 amin’ny lalàna mifehy ny CENI-T.

Manome fanazavana momba ny fomba fiasan’ny CENI-T kosa anefa ny lalàna ao amin’ny And.  3,  satria  ny  raharaha  rehetra  mandala  aminy  dia  tapahina  amin’ny  alalan’ny Fivoriambe sy amin’ny fanapahan-kevitra raisina amin’ny alalan’ny marimaritra iraisana. Ny  And  48  Andln  2  kosa  dia  fa  ny  fanapahan-kevitra  dia  raisin’ny  maro  an’isan’ny mpikambana tonga nanatrika ao amin’ny Vaomiera. 

Azo heverina izany, avy amin’ny famakiana ireo resaka teo aloha ireo fa ny marimaritra iraisana  no mibaiko  ny  fanapahan-kevitra  ao  amin’ny CENI-T.  Raha  tsy mety  kosa  ny fanatanterahana  izany hevitra  izany dia  latsa-bato no atao  ka  izay ny maro an’isa no mandresy amin’ny fanapahan-vevitra, araka ny voalazan’ny And 3

Ny  Filoha  no  miantso  ny  mpikambana  hivory.  Ilaina  ny  mahazo  ny  antsasa-manila amin’ny  isan’olona  mpivory  vao  afaka  miroso  amin’ny  fivoriana.  Raha  tsy  tratra  io isa  io  dia  ahemotra  ny  fivoriana  ,  nefa  tsy  tokony  hihoatra  ny  valo  amby  efapolo  or any  fanemorana  azy.  Hisy  ny  fivoriana  amin’izay  fotoana  izay  “na  firy  na  firy  isan’ny mpikambana tonga”.

ny antoka omen’ny CenI-tNy sata ara-pitsarana sy ara-bola,1. 

Ny fanendrena sy ny fialan’ny mpikambana,2. 

Ny fifampifehezana amin’ny tsy fifankahazoana,3. 

Ny fahefam-pitsarana sy fitantanana manokana,4. 

Ny toeran’ny tsy iharan’ny lalàna.5. 

Page 52: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

47

Toko faha-5 Mari-pamantarana ny fifidianana malalaka sy tsy miandany

Tanjona

Amin’ny fiafaran’ny fandinihana ity lohahevitra ity, ny mpandray anjara dia tokony :

Ho zatra amin’ny raiki-pohy na hevitra hoe « fifidianana malalaka, marina, Êmangarahara » ;

Ho afaka mamaritra ny asam-pifidianana lehibe tafiditra ao amin’ny Êdingana telon’ny zotram-pifidianana ;

Ho afaka mamaritra ireo mason-tsivana hamerana ny fifidianana Êmalalaka sy tsy miandany.

Teny fampidiranaIty asa ity dia ahafahan’ny mpiofana manazava ny atao hoe « fifidianana malalaka sy tsy miandany ». Hanadihady trangam-pifidianana isan-karazany izy ary hilaza aorian’izay na malalaka sy marina ireny na tsia.

Asaina hazavainy ny valin-teny tsirairay araka izay fahita amin’ny fomba fanatanterahana fifidianana eto Madagasikara. Any amin’ny famaranana ny asa no iadian-kevitra ny lisitra narafitr’i Jorgen Elklitt et Palle Svensson.

Dingana 1 >Tsinjaraina ho sokajy ny mpiofana ary asaina miady hevitra momba izay fomba hahazoana fifidianana halalaka sy tsy miandany. Raha ny lisitra ato amin’ny boky no iaingana dia tokony ho afaka manangana lisitra iray hanoritsoritany ny toetran’ny fifidianana malalaka sy tsy miandany ny mpandray anjara.

Asaina manavaka ny mahasamihafa ny atao hoe « malalaka » amin’ny atao hoe « tsy miandany » izy ireo, dia mandamina ny valin-teny azo araka ny aseho etsy amin’ny fafana etsy ambany. Rehefa izany dia manendry mpampaka-teny iray ny sokajy mba hanolotra ny lisitra vitany ao amin’ny fivoriambe.

Page 53: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

48

TOETRAFOTOANA MALALAKA TSY MIANDANYMialoha ny fifidiananaAmin’ny fifidiananaAorian’ny fifidianana

Dingana 2 >Avondrona ao amin’ny fivoriambe ny sokajy ary omena sehatra hanolorany ny lisitra nataony. Mandritra ny ady hevitra, dia raisina ny mason-tsivana naroso momba ny fifidianana malalaka sy tsy miandany.

Dingana 3 >Jerena ny lisitra vita ary iadian-kevitra. Anontaniana ny mpiofana raha mbola misy mason-tsivana azo amaritana ny fifidianana ho malalaka sy tsy miandany nefa tsy voalaza ao amin’ny lisitra.

Dingana 4 >Hazavaina amin’ny mpiofana fa misy lisitra ahazoana mamaritra raha marina sy tsy miandany ny fifidianana; i Elklitt sy Svensson no namorona izany, navoakany ao amin’ny Journal de la Démocratie, Boky faha-8 tamin’ny volana Jolay 1997. Hita ato amin’ny famararana ity lohahevitra faha-5 ity izanylisitra izany. Ampitahaina amin’ny lisitra narafitr’i Elklitt et Svensson ny nataon’ny mpandray anjara ary sokafana ny ady hevitra/fanamarihana momba ny teboka mila izany.

Dingana 5 >Raha mbola misy ny fotoana, dia asaina mitsinjara ho sokajy ny mpiofana handinika ireo tranga hita tato amin’ity lohahevitra ity, ka hisintona “toetra malalaka” sy “tsy miandany” na ny mifanohitra amin’izany.

Dingana 6 >Raisina avy eo ireo valin-teny nomen’ny sokajy tsirairay tao amin’ny fivoriambe dia asaina mifantoka amin’ny toetra nofaritana ho “malalaka” sy “tsy miandany” ny mpiofana.

Page 54: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

49

tranGa samIhafaFampahalalam-baovaon’ny « Radio Mpandainga aho », radio malaza iray.

Ampefy : Nisy fanapahan-kevitra noraisina alina mikasika ny mpifidy kavia ao amin’ny Fikambanan’olompirenena  iray  ao  Ampefy,  izay miomana  hanatanteraka  fifidianana ao an-toerana.  Tapaky ny mpivory  fa hanana zo hifidy ny kavia.  Tapaka  ihany koa  fa toeran-kafa  no  hifidianan  ny  kavia.  Raha  nanontaniana  ny  heviny  mikasika  an’io fanapahan-kevutra io Andriamatoa Niaina, mpitarika ny Hetsika ho an’ny Fahafahan’ny Kavia, dia nilaza  fa  tsy azony antoka akory ny hamarinam-pototry ny fifidianana, eny hatrany amin’ny zotram-pifidianana mihitsy aza. Mino izy fa miombon-kevitra aminy ny ankamaroan’ny mpikambana.  

Ambositra :  Tafavoaka  ihany  ny  fifampiraharahana  mikasika  ny  ho  avy  politikan’ny tanànan’Ambositra, tamin’ny famaritana sy ny famerana ny vaninandron’ny fifidianana hatao. Ny antoko Misaotra eo amin’ny fitondrana no hanara-maso ny zotram-pifidianana ary hanapaka izay antoko afaka misoratra anarana sy ny toerana hanaovany fampielezan-kevitra.  Raha  nanontaniana  momba  ny  fanendrena  rafitra  mahaleo  tena  hitantana sy hanatanteraka ny fifidianana ny mpitarika ny antoko, Ramatoa Adala, dia nilaza  fa tsy manana  ny  hoenti-manana  amin’ny  fananganana  izany  rafitra  izany  ny  firenena. Nambarany koa fa anisan’ny mahefa indrindra eto amin’ny firenena ny mpikambana ao amin’ny antokony ka afaka manatanteraka antsakany sy andavany ny fifidianana.  

Manompana : Eto ivelan’ny ny biraom-pifidianana iray eto Manompana izahay. Mbola lava be ny filaharana ary toa vonona hifidy ny olona na teo aza ny tatitra momba ny fisian’ny herisetra tany amin’ny tanàna manodidina. Mihevitra koa ny olona maro avy ao amin’ny antoko eo amin’ny fitondrana ireo olona mpikirakira fifidianana, ary manoro ny mpifidy ny fomba atao amin’ny fanamarihana ny biletà. Notaterina koa androany fa nisy andian’olona misaron-tava nanafika fiara iray mitondra vata fandatsaham-bato efa feno, nisaina indroa ny vato ary natao dika mitovy ny biletà, satria tsy ampy ny isany, ary nisy aza mpifidy afaka nandatsa-bato nihoatra ny indray mandeha.  

Tsaravohitra : Nivoaka ihany ny vokatry ny fifidianana izay natao tetoan-toerana enim-bolana lasa izay. Nandritra izay fotoana izay dia nitaky ny hahafantarany izay niafaran’ny fitarainana  napetrany  tany  amin’ny  Vaomieram-pifidianana  ny  ampitson’ny  andro fandatsaham-bato ny Fikambanan’ny Jamba ao an-toerana. Nanambara ny tsy fahalalany ny fisian’io tatitra  io. Nilaza indray Ramatoa Tiako ny Ady izay nametraka ny fitoriana, fa    tsy  faly  amin’ny voka-pifidianana ny Fikambanan’ny  Jamba  satria maro ny  jamba no voalika, nefa olom-piarahamonina izy ireny ary tsy nomena fanampiana na kely aza 

Page 55: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

50

raha nieritreritra hifidy izy ireo.. Amin’ny toe-javatra sasany, dia ny tsy fahafantaran’ny mpikarakara fifidianana ny fomba fanao hanampiana azy ireo no nahatonga izany.

Ambinanisakana : Nisy fifamaliana nitranga tamin’ny filaharana lavareny tao amin’ny biraom-pifidianana iray androany tolakandro. Nilaza ny iray tamin’ny mpanara-maso fa nandre mpivady nifanditra mikasika ny olona ndeha hofidina. Nihamafy ny fifamaliana ka    ren’ny besinimaro  izay nolazain’izy  ireo. Nambarany àry  fa  toa  te hifidy vehivavy ilay  ramatoa,  fa  ny  vady  no mikiry  ny  amin’ny  hifidianany  ilay  lehilahy  niantefan’ny safidiny.  Niditra  an-tsehatra    ny  vahoaka,  ary  nisy  lehilahy  maromaro  nanomboka nihorakoraka an’ilay vehivavy ka nampahatsiahy azy fa tokony hankato ny vadiny izy. Dia nisy vondron’olona hafa nanatona azy mivady. Nalainy mitokana  ilay  lehilahy ary nilazany fa tsy manana zo hanery ny vadiny amin’izay hofidiny izy.Vokatr’izay,dia nisy vondron’olona hafa  indray nirotsaka an-tsehatra koa. Nihamafy ny fifandirana ary efa nanomboka ny fifampikasihan-tanana. Tsy maintsy nantsoina ny polisy mba hamerina ny filaminana amin’ny alalan’ny baomba mandatsa-dranomaso, na indraindray amin’ny fampiasana  kibay.

Page 56: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

51

!"#$#$#%#& !'()*"+#,-#,)&

!"#$%#%&'"$()*&%'"#+#*&,%#-.%"/%/#%&%#0%.%&%'"#+#*&,","-"%#%#%

1%2%,%2%#+#*&/(3(#$4#%#+#*&%#$(5(&6(3"$"5%7&#*&'6%#%.%8'%/(&%)*&4$(&%#8$(4.%#%&#%&".%"/%'86".4#4#%&#%2%9(&%3%3%#%7&%.*&#*&2%"#(&%'%#804.*7&'"-"$.%&%'"#+#*&:".%('86","-"%#%#%;/"%':%.%$43(#+#*&,","-"%#%#%

;/*&,"/"%#+#*&,%'6"$%2(.%#%&#*&'6","-*

1%'(3%)(3%#%&'%2(':*&#*&:"34$<

!%$%&,%#-%$/%2%'8:%$(&%.%5%&#*&$(5(#*&2(&"9*

1%#%'6"%#%&$/*&'"%#-%#*&2(&%#+#*&'6","-*&=.%2%&"3%"#%>

1(':%&,%#"/%'8:%$(&%.%8-%3<#%1"$.%#-.%2%#%&'%-"(&#*&)%$(&'%#%#854.*1"$%#-.4'%#%&'%."#%&#*&,"$%$4.%#%&#*&,"$%()%'86","-"%#%#%

#,-./,0,)*1+1+-+#,#,#

!"#$#$#%#& !'()*"+#,-#,)&

!"#"$"#"%"&'"%"(&$)*"+")%"%"&"+",-"./%"!)*+"%-+"#"%"&%0&1(2"*+"&"')%3%0&$('4"&($)5)".0&50&#")%6"%"

!"%"'4"+/%"&%0&1(2",7)$)-)"%"%"

!)*+"%-+"#"%"&*50&')"%6"*+"&%0&$)*"+")%"%"&')2"5)2"&%0&$)$)-)"%"%"8"*)*+"&*50&')"%-"%0&')2"5)2"&%0&1(2",7)$)-)"%"%"&"')%3%0&#")%(&"'"%,9:+0!"%:2:%3%0&*5)+")+"0&%0&1(2",7)$)-)"%"%"

#./+#,0,)*1+1+-+#,#,#

!"#$#$#%#& !'()*"+#,-#,)&

!"#"$"$"#"%&%'(#)*+,-" ./*0"123,4,5,"%"%"(1"%6"0"#"0"!"#"$"$"#"%&%'(4,*)%)%"%"(7#/("%&%'(13,0/*+"-"(#/4,5,"%"8(%'(#",%/("1"%29)0'8(%'(13,4,5'(+'(%'(#"4":

;"$<123,4,5,"%"%"(+'(0"4,23,4,5,"%"%"(*+'(1"%/1)(="#"%"(1"%/-"%"("%*/-/(3/$,*,-"(%"(=/%50/123,"0"#"1/%,%"

!"#"$"$"#"%"(1,4"1/0' ;,+,23,4,5,"%"%"(1"13,=/%50/%"

!"#"$"$"#"%"(#,=/%50/%"!"13,9/0/"%"(>"/1,)0"123,4,5,"%"%"(1"#"$)/(*)%"(+'(*+'(1,"%5"%'

?+'(6)9",%&%'(4"%"#,"%"(1,4"%50"'("1,%&%'(4,4,5,"%"%"(+'(%'(4"13,)$)@"%2-)=,*0"

!,*/%50"%"(*+'(1,*"%,$"("*"/%&%'(3/$,+'8(%'(1,"0"1,$"("0'(%'(4,*+"0"%"("1,%&%'(-"%5,5<

?+'(4,+,"%&%'(+"-"%*+"-"%"("1,%&%'(4"%50",+"%"("%9"0"("1,%&%'(4,4,5,"%"%"(7#/("%&%'("%*/-/(+'(%'(-"%5,5<(1"#"$)/(*)%":

>,%*"%"(1,*/='(#/("%&%'("%*/-/(3/$,*,-"(+'(%'(-"%5,5<(1"#"$)/(*)%"(#"%50"'("%9"0"("1,%&%'(4,4,5,"%"%"

!"%)#/"%2*+"4,5'(1,*/='("0'("%50",+"%&%'(0)#)*0"("%9"0"

!"%5"#"0"123"%"A)"@"%"(#/("%&%'(4,4,5,"%"%"(*+'(1,"%5"%'

!"13,)$)@"%2-)=,*0"(1,0%50"(74"%"9"%"(%'(4,*+,3,23,*/%50"%2*)%":

"+#$./#*,)*0+0+-+#,#,#

Page 57: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry
Page 58: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

53

FIZARANA FAHAROA NY LAFINY LAMINA

SY NY RINDRA

Ny famoronana vondron’olona atao delege ho solontena amina fifidianana sy ny fanaparitahana azy ireo any amin’ny toerany tokony hisy azy avy, dia tsy tokony hatao an-kamehana. Izy ireo dia manaraka (tsy maintsy manaraka) ny paikady narafitry ny antoko politika, hoentiny mandrombaka sy mitazona ny fahefana azony. Tokony hanaja rindram-pisainana mazava izany ireo asa hotanterahina

Ity fizarana ity dia mikendry indrindra ny hanomezana fahalalana momba ny lamina sy rindra ilain’ny mpandray anjara, hanaovany tsara ny fanaraha-maso ny zotram-pifidianana araka izay hiheverany azy. Araka izany, ankoatra ny fananterana ny anjara asan’ireo delege-n’antoko dia misy torohevitra mikasika ny fomba fiasa araka ny dingana misy amin’ny tetiandro ho fanaraha-maso ny zotram-pifidianana, manomboka amin’ny fakana olona atao delege hatramin’ny fitrandrahana ny vaovao hangonin’izy ireo.

Ireto avy ireo lohavevitra hodinihina amin’izany:

Ny anjara asan’ny delege-n’antoko sy ny kandidà ; �

Ny fakana olona atao delege ; �

Ny fampiofanana azy ireo ; �

Ny fanaparitahana azy ireo ; �

Ny fanangonana vaovao ; �

Ny fandinihana tranga sy fanaovana tatitra. �

Page 59: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

54

Toko voalohany Ny anjara asan’ny delege-n’antoko kandidà

TanjonaAmin’ny fiafaran’ny fandinihana ity lohahevitra ity, ny mpandray anjara dia tokony ho afaka :

Hifankazatra tsara amin’ny anjara asan’ny delege-n’antoko araka izay Êvoalazan’ny didy aman-dalàna ho azy ireo;

Hahatakatra ny antony ilàna ny delege amin’ny zotram-pifidianana; Ê

Hanavaka ny mahasamy hafa ny zo sy ny andraikitra sahanin’ny delegen- Ên’antoko sy ny kandidà

Teny fampidirana

An-tsitra-po ny filatsahana ho delege na solontenan’antoko, ary matetika izy reo dia mpikambana ao amin’ny antoko ihany na mpanohana, izay naparitaka araka ireo dingana lehibe amin’ny zotram-pifidianana, indrindra any amin’ny foibe mpikarakara fifidianana na any amin’ny birao fandatsaham-bato, hahafahan’izy ireo manaraka ny raharaha rehetra momba ny fandatsaham-bato sy fanisana vato.amin’ny anaran’ny antokony. Manana ny lanjany tokoa izy ireo amin’ny fanamafisana ny fahamarinam-pototry ny zotram-pifidianana. Noho izany, dia tokony ho fantratr’izy ireo tsara sy horaisiny am-po tokoa ny anjara asa sy ny tombontsoa raketin’ny asany.

Dingana 1 >Zaraina ho sokajy ny mpandray anjara, ka 3 na 6 ny isan’ny sokajy mety amin’ity asa ity.

Dingana 2 >Rehefa voavaky ireo fehezan-dalàna misongadina momba ny lalàm-pifidianana dia iadiana hevitra ireto fanontaniana manaraka ireto, aorian’ny tatitra ataon’ny sokajy tsirairay amin’ny fivoriana iarahana :

Inona no tombontsoa azo amin’ny fisian’ny delege amin’ny fanomanana ny �zotram-pifidianana ?

Inona avy ireo dingana na sahanasa ao amin’ny zotram-pifidianana izay �mitaky na mety hitaky ny fisiana delege?

Page 60: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

55

manInona no soloIna tena any amIn’ny bIrao fandatsaham-bato ny antoko polItIka ? Inona no fIantraIkan’ny fanaparItahana ny deleGe-n’antoko mandrItra ny fIfIdIanana?

Maro ny zava-kendrena amin’ny fisian’ny solontenan’ny antoko : 

Miantoka ny tena fisian’ny antoko soloiny tena marina ;• Misoroka ny hala-bato sy ny fanodinkodinana ;• Mamaky bantsilana ireo fandikan-dalàna sy mandray anjara amin’ny fangaraharan’ny • fifidianana ;Miantoka ny fanajana ny lalàna sy ny fitsipika ary ny fitsipi-pitondran-tena mifehy ny • zotram-pifidianana ;Manangana  loharanom-baovao  momba  ny  fitantanana  ny  fifidianana  (zava-• mitranga tampoka, tahan’ny mpandray anjara…) ;Manana  porofo  manoloana  ny  fitsipahana  ataon’ny  mpifanandrina  na  amin’ny • fitoriana sy fitarainana noho ny fandikan-dalàna, hoentin’izy  ireo eo anatrehan’ny fahefa-mahefa mandamina ny fifanolanana mikasika ny fifidianana ;Mandray anjara amin’ny fanamafisana orina ny fifandraisana amin’ny antoko politika • sy ny mpikambana ary ny mpanohana azy ireo avy ;Mampiharihary  ny  fahaizan’ny  antoko  amin’ny  fanangonana  ny  mpikambana  sy • amin’ny fandrindrana ny asany mandritra ny andro fifidianana ;Manamafy ny fahatokisan’ny antoko sy ny mpifidy ny zotram-pifidianana.• 

Inona no anjara asan’ireo delege ireo mandritra ny dingana na sahanasa �voafaritra tetsy aloha ?

Ireto no andrasana amin’ny delege-n’antoko amin’ny ankapobeny :

Fiantohana ny fisian’ny antoko na ny kandidà mandritra ny fandrafetana ny �lisi-pifidianana

Fahatongavana any amin’ny toerana ahitana biraom-pifidianana misokatra �

Fanaovana fanamarihana mikasika ny fizotry ny fandatsaham-bato �

Fijerena ny lisi-pifidianana amin’ny fotoana ilàny azy �

Fahazoana vaovao momba ny fitantanana ny zotram-pifidianana �

Fampiakarana fitoriana sy fanoherana �

Fanarahana am-pieritreretana tsara sy amin’ny saina tsy miangatra ny �raharaham-pifidianana

Fanalavirana ny fifanindrian-javatra tsy hay hamarinina, izay mety hiteraka �korontana amin’ny fizotry ny raharaham-pifidianana .

Page 61: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

56

Inona aVy Ireo fehezan-dalàna mIfehy ny fIfIdIanana eto amIntsIka Izay mIantoka ny fampIharana Ireo zo Ireo ?I. Ny fandraisana anjaran’ny solontenan’ny antoko na kandidà amin’ny fandrafetana ny lisi-pifidianana

Ny  lalàna  fehizoro  laharana  2012-005  mikasika  ny  fifidianana  dia  manome  toerana malalaka ny antoko politika amin’ny fandrafetana ny lisi-pifidianana. Eken’io lalàna io, na amin’ny fomba mivantana na amin’ny alalan’ny solontenany, ny zo maha-mpikambana azy avy hatrany ao amin’ny Vaomieram-paritra misahana ny fanisana ny mpifidy (CLRE) eny anivon’ny Fokontany (And 10 andl 3), na dia tsy voatondro mazava aza ny anjara asa raisin’izy ireo. Azo heverina fa rariny ny fisian’izy ireo ao mba ho antoky ny fahamarinam-pototry ny fifidianana.

Etsy  an-daniny  koa,  ny  lisitra  navoakan’ny  Vaomiera  misahana  ny  fifidianana  eny anivon’ny Distrika dia azon’ny kandidà na ny solontenany jerena (And 14), ary manan-jo izy ireo hitsipaka izany (And 18 Andl 2). 

Eken’ny And  29  ihany  koa  ireo  zo  ireo  (fijerena/fitsipahana)  amin’ny  fanavaozana ny lisitra isan-taona.

II. Ny fandraisana anjaran’ny delege-n’antoko na ny kandidà amin’ny dingana aorian’ny fifidianana

Ny Fehezan-dalàna momba ny fifidianana dia manokana toko iray manontolo momba ny resaka delege-n’ny kandidà na ny an’ny antoko, izay tsy tokony hihoatra ny efatra ny isany ao anaty birao fandatsaham-bato iray. Ireto avy ireo fehezan-dalàna ankapobeny mikasika izany :

And 69 Andl  1  : Ny  komity mpanohana  isanisany, ny  kandidà, na ny  lisitry ny  �kandidà dia manan-jo hametraka delege tompon-toerana na mpanampy nahazo alalana manokana, hanara-maso ny raharaham-pandatsaham-bato .And  70  Andl  1  :  Ny  delege-n’ny  komity mpanohana  ny  kandidà  na  ny  lisitra  �kandidà  dia  tsy maintsy  olona  voasoratra  anarana  ao  anaty  lisitry  ny mpifidy. Afaka  mifidy  ao  amin’ny  birao  fandatsaham-bato  anatanterahany  ny  iraka maha-delege azy izy, raha tsy hoe misy fehezan-dalàna manokana mifanohitra amin’izany arakaraka ny sokajim-pifidianana misy.And 75 Andl 1: Ny fanamarihana, ny fitarainana na ny fanoherana ataon’ny delege  �momba  ny  fizotry  ny  raharaham-pifidianana  tao  amin’ny  birao  fandatsaham-bato nametrahana azy, dia tsy maintsy ampidirina ho tovana amin’ny fitanana an-tsoratra  ny  raharaham-pifidianana,ary  voasonian’ny  tenany  mazava  tsara. Tsy  maintsy  voarakitra  ao  amin’ny  fitanana  an-tsoratra  koa  ny  anarany  sy  ny 

Page 62: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

57

andraikiny.

Ankoatra ny fandrafetana ny lisi-pifidianana dia voasoratra ao amin’ny lalàm-pifidianana ihany  koa ny  fandraisana anjaran’ny delege-n’antoko na  kandidà  ,  amin’ireo dingana samihafa mikasika ny raharaham-pifidianana. Ireto avy izany :

Fizotry �  ny fandatsaham-bato ;Fanisam-bato sy fanambaràna ny voka-pifidianana ao amin’ny birao fandatsaham- �bato ;Fanisana ny vato rehetra tamin’ny fifidianana ; �Fifanolanana momba  � ny voka-pifidianana vonjimaika.

Ny maha-eo ny delege-n’antoko dia efa mampihena be ny mety hisian’ny  fanaovana fifidianana tsy azon’ny olona atrehina. Mandray anjara amin’ny  fanatsarana ny  fomba hahazoana fifidianana mangarahara sy azo itokisana izy ireo amin’izany. Mandray anjara ihany koa mba hampiorim-paka ny kolontsaina hanaiky izay voka-pifidianana mivoaka izy  ireo. Na  izany  aza  anefa,  tsy  tokony hihevitra  ireo delege-n’antoko  fa ny  fisian’izy ireo dia ampy hiantoka ny fahamarinam-pototry ny zotram-pifidianana..Etsy andaniny moa, dia tokony hahatakatra tsara ny anjara asa sahaniny izy ireo, ary hampihatra izany araka ny  tokony ho  izy  tokoa.  Tsy maintsy manangona vaovao momba ny fizotry ny fifidianana  izy  ireo amin’izany, mikaroka  tahirin-kevitra ary manao  tatitra any amin’ny antokony avy, ka ireto farany no hanadihady izay azony rehetra mba hahitany ny fironana ankapoben’ny  latsa-bato..Etsy ankilany  indray,  tsy  ireo delege-n’antoko  irery akory no manangom-baovao sy manome ny heviny momba ny fitantanana ny fifidianana. Misy 

!"#$"%$&#'#'()%)%*+

,&-&.&%#%#%!"#$"#$%&'#'"#'('&)#*%+'"#,'(-'&.'$'/0*'&" 1+&#23##4

5'('+'$'0'."#()#,'(-'&.'$'/0*'&"#.)#,'('/'+%$'('#'+)#,%&'+'%('('

1+&#67

8%,%-)#'"#'/%(9()#*%+'"#,'(-'&.'$'/0*'&"#('/%&'()#%+':'

1+&#6;#

!"#$"#$%&'#'"#'('&)#*%+'"#,'(-'&.'$'/0*'&"5'(<(-+<('#%+<"#/='(%.'#>'&" 1+&#33

5'('">'('#."(%'#%+<"#,%&'('('#'(0&."+'&+'#'$%&'('#()#,'('/'+%$'('#.)#()#,%&'+'%('('#/<&)#$'&'"

1+&#??;

!"#$'$'@"#."."('#%+')#'/%(9()#,%&'('('#'(0&."+'&+' 1+&#??A5'(-+'%.'('#'(B'+'#'/%(9()#,%&'&<+'('#()#,%&'('('#'(0&."+'&+'

1+&#??C

!"#$'('&+%:'#%@'() 1+&#??D!"#$'('"#,'('/'+%$'(' 1+&#??D!"#$%&':)#()#,'/=%&'$'('#()#,%&'('('#'(0&."+'&+' 1+&#?EE

-/0123412121(53561(27(8391+:/0/;/12121(832</51/91

!"#$'/=%':'&+'#()#+'$'+'$'#'()#'/%(9()#,'$<,'0/'$<,'

1+&#?CE

.&#=%#%(%*&#>#'(

?%@%?%@%*+,&-&.&%#%#%

-/A3BC7(27(012;1BD1E15+61B3

-12/D15+61B3(D7(0121561C121(27(8391+:/0/;/12121(13(15/2>27(6/C13(012;1BD1E15+61B3

-12/D121(27(8391BC7(27(41BD1+61B3(CFEFBC1

Page 63: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

58

mpandray anjara hafa miaraka amin’izy ireo ary loha laharana amin’izany ny mpanara-maso avy eto an-toerana sy avy any ivelany. 

Ny delege-n’antoko dia miandany tanteraka amin’ny fizotry ny fifidianana, mifanohitra amin’ireo mpanara-maso  izay tsy tokony hiandany amin’ny fanombanany ny zotram-pifidianana.  Ny fiarovany ny tombontsoan’ny antokony na ny an’ny kandidà atolony no ezahany ho azo antoka. . Saro-pady toy ny an’ireo mpanara-maso tsy miandany sy tsy miangatra ihany koa ny anjara asan’ny delege. Amin’izany fiarovany ny tombontsoan’ny antokony  izany  izy  ireo  dia  manao  izay  ahazoany  antoka  fa  voaisa  avokoa  ny  vato manan-kery narotsaky ny mpifidy ho azy ireo, ary tsy ho afaka hanao fanodinkodinana mety hiteraka voka-dratsy ho azy ireo ny mpifanandrina aminy. Ambonin’izany moa dia samy mifanao andrimaso avokoa ireo antoko politika rehetra voasolo tena ao amin’ny birao fandatsaham-bato. Samy mitily ny fihetsiky ny mpifaninana aminy avy ny tsirairay. Manampy  betsaka  amin’ny  fiantohan’ny  fisian’ny  rariny  noho  ny  fiarovan’ny  antoko politika tsirairay ny tombontsoan’ireo mpifidy azy izany, ary hampitomboana ihany koa ny fanakanana ny hevi-dratsy mety hifanaovan’izy rehetra; avy amin’ny antoko politika samihafa manko ireo, niaraka napetraka ao amin’ny biraom-pifidianana iray.

Tokony ho ary fitaovana tsara, avy amin’ny antoko niaviany avy, ireo delege-n’antoko, na dia miandany ihany aza ny fanamarihana ataony, mba tsy hahatonga azy ireo ho fototra iavian’ny hotakotaka na korontana,  izay mety hanohintohina ny  fandehan’ny zotram-pifidianana.

Mandrafitra soritrasa sy mifandamina

Fiteny  ny  hoe  :  « Mijinja  tsy  fahombiazana  izay  tsy mandrafitra  ».  Ny  fanaparitahana delege an-jatony eny an’arivony aza any amin’ny birao  fandatsaham-bato dia mitaky fanatanterahana  fitambarana  asa  teknika  voasaina  sy  voaomana  tsara  amin’ny antsipiriany.  Fahadisoana  tokony  hotandremana  ny  fiandrasana  ny  andro  farany vao manangona ny angovo na ny  fananana  ilaina. Ny mifanohitra amin’izany aza no tokony  hatao, miomana mialoha  lavitra mihitsy,  herinandro maro mialoha  ny  andro handatsaham-bato.

Nahoana no mandrafitra soritrasa ?

Mah � azo antoka fa ho tratra ny tanjona napetraka ;Mamela ny mpiantsehatra ho zatra amin’izay efa nandrasany ao an-tsainy hatrany  �ny ela ;Manombana ny fananana isan-karazany mbola azo ampiasaina ary mandrefy ny  �tanjaka sy ny halemen’ny tena. 

Page 64: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

59

Toko faha-2 Ny fakàna delege

Tanjona

Amin’ny fiafaran’ny fandinihana ity lohahevitra ity, ny mpandray anjara dia :

Mahatakatra tsara ny tombontsoa avy amin’ny fakana delege natao am- �pisainana sy ahazoam-bokatra

Mandray ireo fepetra tokony horaisina ho amin’izany. �

Teny fampidiranaAzo atao mandritra ny fivoriana iarahan’ny rehetra manatanteraka ity asa ity. Ny fampisehoana ny zava-misy momba ny fakana delege fanaon’ny antoko politika no tanjona amin’izany, ary koa ny fametrahana ny fototra iorenan’ny fomba tsara tokony harahina amin’izany. Ireto manaraka ireto ny dingana arahina :

Dingana 1 >Anontaniana ny mpandray anjara raha efa nanao ny asana delege-n’antoko na kandidà izy, na efa nanatanteraka fakana delege ho an’ny antokony tany aloha tany.

Dingana 2 >Entanina ireo efa zatra nanao izany fakana delege izany mba hizara ny traikefa ananany, miaraka amin’ireo mason-tsivana napetrany ho amin’izany. Soratana eny amin’ny solaitrabe ireo mason-tsivana ireo.

Dingana 3 >Sokafana ny ady hevitra momba ireo mason-tsivana ireo, ary hamoraina ny fahazoana mason-tsivana hafa fanampiny.

Page 65: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

60

Ireto misy mason-tsivana vitsivitsyFananana fotoana

Tsy asana tapak’andro ny asan’ny delege-n’antoko politika na kandidà. Tsy maintsy mivonona hijanona ao amin’ny birao fandatsaham-bato ny tontolo andro manomboka amin’ny fisokafan’ny birao hatramin’ny fikatonany izy.

Tanjaka ara-batana

Mitaky tanjaka ny fijanonana ao amin’ny birao fandatsaham-bato mandritra ny iray andro maninjitra. Ataovy azo antoka tsara izany fa olona manana fahasalamana ara-batana tomombana amin’ny andro fandatsaham-bato ilay hisolo tena ny antoko.

Mizaka zon’ny olom-pirenena sy zo ara-politika

Ny delege-n’antoko na kandidà dia tsy maintsy mizaka ny zon’ny olom-pirenena sy ny zo ara-politika toy ny zo hifidy sy hilatsaka hofidina ohatra. Ireo zo ireo dia mitaky andraikitra araka ny voasoratra ao anaty lalàm-pifidianana na anaty fitsipi-pitondran-tena, izay tsy maintsy hajain’ny delege. Hofadiny ny mampiseho toetra amam-pihetsika mety hanohintohina ny fampiharana ireo zo ireo, na avy amin’ny mpifidy izany na avy amin’ny solontenan’antoko na kandidà. Tadidio ny voasoratra ao amin’ny fehezan-dalàna And 70 Andl 1 voalaza tany aloha.

Mahitsy fo ary azo itokiana sy marina

Tsy tokony ho tratrana tsindry na amin’ny endrika inona na inona ny solontenan’ny antoko. Olom-banona afaka miaritra fakam-panahy isan-karazany, isan’izany ny kolikoly sy ny fampitahorana, no ilaina hatao delege, mba ho fiarovana ny tombontsoan’ny antoko. Ataovy azo antoka tsara fa manana fahatsiarovan-tena sy fitondran-tena mahitsy, ary maneho tokim-pankatoavana ny antoko misy azy ilay olona hatao delege.

Asa an-tsitra-po

Tsy andraisan-karama ny asa angatahina amin’ny delege-n’antoko. Ny fiheverana hoe mila azy ny antoko ary manolo-tena hiasa ho azy izy, izany no tokony hibahana an-tsain’ny olona hofanina sy haparitaka hisolo tena ny antoko any amin’ny biraom-pifidianana.

Na eo aza izany, ny antoko manana rafitra tsara tombina dia afaka manome tolo-kanina ho an’ny olony izay manatanteraka asa (rano, vatomamy, mofo…).

Page 66: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

61

tsara ho fantatara

Tsy  tokony  hohadinoina mihitsy  fa  sady maso  no  sofin’ny  antoko  politika  any  amin’ny birao  fandatsaham-bato  ny  delege,  hatrany  amin’ireo  dingana  lehibe  amin’ny  zotram-pifidianana koa aza. Ny fahaizana mifantina tsara izay hatao delege dia zava-dehibe tokoa amin’ny  fahombiazan’ny  fanaparitahana  ireo  solontenan’ny  antoko  ireo.  Tokony ho efa fantatra mialoha ela tany izy ireo, araka izay mason-tsivana manokana napetraka. Fantaro mazava  tsara  izay  fepetra  takina  amin’ny  fisoloan-tena ny  antoko  any  amin’ny biraom-pifidianana, ary hamarino tsara fa voahaja tanteraka ireo fepetra ilaina amin’ny fifantenana delege ireo. Mety hiteraka olana ny delege tsy mahafeno  fepetra ka ianareo ao amin’ny antoko ihany no hizaka ny vokany any aoriana.

Fahatoniana

Tsy toeram-piadiana ny birao fandatsaham-bato. Fadio ny maka olona tsy mahatsindry fo sy mora tezitra amin’ny tsy antony. Hamafiso mandritra ny fiofanana izay voarakitry ny fehezan-dalàna And 77 sy 78 amin’ny lalàm-pifidianana, izay milaza fa na ny delege-n’ny kandida aza dia azo roahina hiala ny birao, raha tsy manao araka ny tokony ho izy ny raharaham-pifidianana.(fanasavoritahana na fanakorontanana bontolo ny raharaham-pifidianana). Hazavao azy ireo fa ny anjara asan’ny delege dia ny manangom-baovao sy mitatitra ny olana mitranga mandritra ny fandatsaham-bato, fa tsy izy indray no fototra iavian’ny olana sy fanakorontanana. Vavolombelona izy fa tsy mpitsara.

Fahaizana mamaky teny sy manoratra

Ahoana moa no ahafahan’ny solontenan’ny antoko mahazo sy mameno ireo antontan-taratasy mirakitra ny fanamarihana nomena azy, raha tsy mahay mamaky teny sy manoratra izy ? Mafy kokoa noho izany aza ny tsy hahafahany miatrika ny fanisam-bato, na mandray ny vokatra ary manao sonia ny fitanana an-tsoratra. Mifanindran-dalana amin’izay koa ny tokony hahaizana ny fitenim-paritra ao amin’ny toerana nandefasana azy, hahafahany mifandray mora foana amin’ireo miresaka aminy.

Page 67: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

62

Page 68: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

63

Toko faha-3 Ny fanofanana ny delege

Tanjona

Amin’ny fiafaran’ny fandinihana ity lohahevitra ity, ny mpandray anjara dia ho afaka :

Mahatakatra tsara fa ny fifidianana akory tsy trangan-javatra mihelina fa Êmanao randra-tarihina kosa ;

Mahatakatra ny fahamarinam-pototry ny fiofanana omena ny delege- Ên’antoko politika ;

Mahatakatra fa ilaina ny mampifamatotra ny fanaparitahana ireo delege- Ên’antoko amin’ny firindran’ireo dingana samihafa amin’ny dingam-pifidianana.

Teny fampidirana

Ny fanofanana ny delege dia zavatra iray tsy azo andeferana mihitsy. Tsy maintsy homena fitaovana momba ireo didy aman-dalàna mifehy ny fizotry ny fifidianana izy ireo. Tsy maintsy mahatakatra ihany koa izay kely indrindra tokony ho fantatra momba ny anjara asany sy ny an’ireo mpandray anjara hafa amin’ny zotram-pifidianana ny delege. Tolorana hevitra ny antoko hanatanteraka araka izay azo atao ny fanofanana ireo delege, amin’ny fotoana akaiky ireo dingana lehibe amin’ny zotram-pifidianana, indrindra amin’ny andro fandatsaham-bato. Inona no antony? Satria marisika kokoa izy ireo rehefa akaiky ny fotoam-pifidianana, noho izy ireo entanim-po amin’ny toe-javatra iainana mafampana mandritra ny fampielezan-kevitra. Ambonin’izany koa, ny fiofanana nomena azy dia mbola hafana tsara amin’ny andro hanatanterahana ny fifidianana. Ho afaka

tsara ho fantatra

Aoka ho  fantatra aloha  fa ny fifidianana dia  tsy  trangan-javatra  mihelina,  fa raharaha  manao  randran-tarihina  kosa. Andro  iray  ihany  no  anatanterahana ny  fandatsaham-bato,  saingy  tsy voafetran’ny  raharaha  fandatsaham-bato sy fanisam-bato ihany izany. Ohatra fotsiny,  ny  fanisana  ny  vahoaka mpifidy dia  tanterahina  volana  maro  mialoha ny fifidianana. Misy fiantraikany amin’ny andro  fandatsaham-bato  anefa  izany: amin’io  fotoana  fanisana  io  tokoa  no hamaritana  ny  isan’ny  olona  antsoina hifidy.  Avy  amin’izany  isan’ny  mpifidy voasoratra izany koa no hamaritana ny isa sy toerana  hasiana ny birao fandatsaham-bato  manerana  ny  nosy.  Zava-dehibe noho  izany  ny  hanombohana  ny fanarahana ny  zotram-pifidianana dieny 

Page 69: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

64

hamaly izay andrasan’ny antoko niaviany izy amin’izay. Ary farany, ny hamehana noho ny androm-pifidianana efa an-tomotra dia hahafahana mandamina ny fanofanana ny delege amin’ny fotoana hamaranana ny fandrafetana ny drafitrasa fanaparitahana azy ireo. Amin’izay no hanomezana toromarika mazava ho an’ny delege tsirairay momba ny birao fandatsaham-bato, ny ora tokony hahatongavany ao amin’ny andro fandatsaham-bato.

Dingana 1 >Mifanakalo hevitra ny mpiofana momba izay hoenti-mandrafitra soritrasa azo ampiharina tsara amin’ny fanofanana ireo delege-n’antoko, ary hahatsapa ihany koa izy ireo fa ny fiofanana toy izao dia antoky ny fahamatoran’ilay antoko sady fahombiazan’ny fanaparitahana ireo solontenan’antoko, isaky ny dingana lehibe amin’ny zotram-pifidianana (indrindra amin’ny andro fandatsaham-bato).

Dingana 2 >Miady hevitra momba ny dingam-pifidianana ny mpiofana, ary tsindrina manokana ny momba ireo dingana samihafa ao aminy. Avy eo dia mifanakalo hevitra momba izay ilàna ny fampifandraisana ny fanofanana ny delege-n’antoko politika amin’ny dingam-pifidianana.

Dingana 3 >Ny andrasana amin’ireo mpiofana dia ny hahitany maso mihitsy ny fomba fanaparitahana ireo delege-n’antoko araka ny tetiandrom-pifidianana, ary ny handrafetany lisitra momba ny asa hatao isaky ny dingam-pifidianana, sady hanamarihany ihany koa ny fampifanarahana ny fotoana hanatanterahana izany asa izany amin’ny tetiandrom-pifidianana.

any  amin’ny  fanomanana  ny  takela-piraketana  ny  lisitry  ny mpifidy.  Tokony ho  efa  noheverina  izany  ny  hametraka solontena any amin’ireo toeram-panisana ny mpifidy  sy ny fikarakarana ny  takela-piraketana  ny  lisi-pifidianana.  Toy  izany koa, ny fanaraha-maso atao dia tsy tokony hifarana  amin’ny  fotoana  ikatonan’ny birao  fandatsaham-bato.  Tsy  maintsy manaraka  ny  raharaham-pifidianana hatrany  amin’ny  foibe  fanangonana  ny vokatra farany ny solontenan’ny antoko.

Amin’ny  maha-mpampiofana  anao dia  tokony  ho  afaka  hamantatra  ireo dingana  telo  lehibe  amin’ny  zotram-pifidianana sy ireo asa samihafa miaraka aminy  ianao.    Izany  dia  ahafahana mandrafitra  sy  mampifandray  ny  asa fanaraha-maso ataon’ny delege amin’ny tetiandrom-pifidianana sy ny tsinjara asa tanterahin’ny CENI-T. 

Page 70: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

65

rahoVIana no hatao ny fanofanana ?

Amin’ny resaka fifidianana dia ny fotoana akaikin’ny andro fandatsaham-bato no tena fenitra.  Ampahafantarina  ny  mpiofana  mialoha  ela  ihany  anefa  ny  andro  hiofanana hahafahany  miomana.  Izay  olona  tokony  hiofana  ihany  antsoina.  Ferana  ny  isan’ny olona ivelan’ny sehatry ny fiofanana  ankoatra ny mpampiofana izany. 

hafIrIana no faharetany ?

Iray andro dia ampy. Tsy ilaina akory ny manalava ny fotoam-piofanana. Ny voamasony avy hatrany potserina. Handeha hody izy ireo rehefa nahazo izay tena nilainy hoentiny miaro ny tombontsoan’ny antokony amin’ny fotoam-pifidianana. 

deleGe fIry no tokony hofanIna?

Tsy maintsy  arakaaraka  ny  fivelaran’ny  birao  fandatsaham-bato  heverina  horakofana 

amin’ny  androm-pifidianana  ny  drafi-pandaminana  ny  fiofanana.  Ny  isany  sy  ny 

lanjan’ny  fotoam-piofanana  dia  miankina  amin’ireto  antony  manaraka  ireto:  ny 

hakitroky ny mponina mpifidy ao amin’ny toerana voarakotry ny fanaparitahana delege 

novinavinaina;  ny    halavitan’ny birao  fandatsaham-bato  ao  amin’ireo  toerana  ireo  sy 

ny isan’ny olona tokony hapetraka rehefa tonga ilay andro voatondro. Na izany na tsy 

izany anefa dia ataovy manodidina ny  roapolo eo ho eo ny  isan’ny mpandray anjara 

isaky  ny  fotoam-piofanana.  Raha  tsy  izany,  dia  ho  voafetra  ny  fotoana    hahazoan’izy 

ireo mifanakalo hevitra amin’ny mpampiofana ; vokatr’izany dia ho maro ny mpandray 

anjara  no  hody  tsy  afaka  nametraka  fanontaniana  nanitikitika  ny  sainy  akory,  ary  tsy 

nahazo valiny tandrify amin’izay notadiaviny. Aza hadinoina koa fa raha vitsy ny isan’ireo 

mpandray  anjara  amin’ny  fotoam-piofanana  dia  ho  afaka manombana  tsara  ny  fari-

pahalalan’ny  delege  tsirairay  ny mpampiofana,  ary  hiantoka  fa  hahazo  fahalalana  sy 

fahaizana ilainy tokoa ireo mpiofana. 

hataon’Iza ?

Zava-dehibe ny fifantenana izay hampiofana. Mpitarika maro tao amin’ny antoko politika no efa nofanin’ny EISA. Manana fitaovana ampy tsara amin’izany izy ka afaka hitarika ny fanofanana. Fomba fanao tsara ihany koa anefa ny manolotra ny fitarihana ny fiofanana 

Page 71: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

66

Araka ny fantatra moa dia ahitana ambaratonga lehibe telo ny zotram-pifidianana :

ny fotoana mialoha ny fifidianana, (raharaha samihafa mialoha ny andro �fandatsaham-bato), ny fotoam-pifidianana (raharaha fandatsaham-bato sy fanisana ny vato), �ary ny fotoana aorian’ny fiifdianana (raharaha manaraka ny fikatonan’ny �birao fandatsaham-bato).

Ampahatsiahivina fa ireto manaraka ireto ny asa atao amin’ny zotram-pifidianana :

Fandrafetana sy fanekena ireo lalàna mifehy ny fandaminana ny fifidianana �Fifantenana sy fanofanana ireo olona hisahana ny raharaham-pifidianana �Fanaovana ny drafi-pandaminana ny fifidianana �Fanoratana ny anaran’ny mpifidy ao amin’ny lisi-pifidianana �Fandraisana ny anaran’ny antoko politika �Fanendrena ny kandidà �Fampielezan-kevitra �Fametrahana ireo birao fandatsaham-bato �Fomba fandatsaham-bato �Fanisana ny vato �Fanangonana sy fanamarinana ireo fitanana an-tsoratra �Fanambaràna ny voka-pifidianana �Famahana ny fifanolanana amin’ny raharaham-pifidianana �Fanavaozana ny lisitry ny mpifidy, fanamarinam-bokatra sy tombana ary �fanavaozana ny raharaham-pifidianana.

ho an’ny mpiandraikitra ny  fampielezan-kevitry ny antoko. Amin’izay  fotoana  izay dia atao azo antoka tsara fa tena izy ireo marina mihitsy no mitarika ny fotoam-piofanana. 

efa mba noheVerInareo Ve ny hananana antontam-baoVao fototra momba Ireo deleGe-n’antokonareo ?

Mandritra ny fiofanana dia lazao ireo delege hameno taratasy mirakitra ny momba ny tenany sy ny pitsopitsony rehetra mikasika azy hahazoana mifandray aminy. Raha azo atao dia ampidiro ao amin’ny antontam-baovao  fototra  ireo vaovao  ireo, mialoha ny hanaovana  ny  sarintany maneho  ny  fanaparitahana  ny  delege  (fari-piadidiana,  birao fandatsaham-bato). 

Page 72: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

67

Toko faha-4 Ny fanaparitahana ireo delege

Tanjona

Amin’ny fiafaran’ny fandinihana ity lohahevitra ity, ny mpandray anjara dia ho :

Zatra mampihatra fomba fiasa mahomby amin’ny fanaparitahana ny Êdelege-n’antoko any amin’ny birao fandatsaham-bato ;

Afaka hamantatra ireo mason-tsivana ilaina amin’ny fanaparitahana ny Êdelege.

Teny fampidirana

Hahafahan’ny mpiofana mandinika ny endrika samihafa mifandraika amin’ny fanaparitahana ny delege-n’antoko any amin’ny birao fandatsaham-bato ity asa ity. Tsy hoe fantenana sy hofanina fotsiny akory ireo solontena ireo, ilaina koa ny mandrafitra sy mandrindra tsara ny fanaparitatana azy ireo any an-toerana.

Ny fanaparitatana resahina eto dia tsy inona fa fandefasana ireo delege any amin’ny birao fandatsaham-bato hanendrena azy, miaraka amin’ny fizarana antontam-pitaovana ho azy ireo tsirairay avy. Tsy inona izany fa fitambarana tahirin-kevitra ilainy amin’ny fanaraha-maso mandritra ny andro fandatsaham-bato. Tsy maintsy hita ao amin’izany antontam-pitaovana izany ireto manaraka ireto :

Taratasy fanamarinana avy amin’ny rantsa-mangaikan’ny Vaomieram- �Pirenena Mahaleotena Misahana ny Fifidianana (CENI-T), izay toy ny karatra fahazoan-dalana hidirana ao amin’ny birao fandatsaham-bato na, raha tsy misy izany dia soloina dika mitovy tamin’ny fangatahana nataon’ny antoko amin’ny anaran’ny delege tany amin’ny CENI-T ;

Takelan-taratasy iray mirakitra izay andrasan’ny antoko aminy raha nandefa �azy hisolo tena azy any amin’ny birao fandatsaham-bato izy ;

Lisitry ny fanamarihana ataony izay mandravona ireo endrika samihafa �mifandraika amin’ny fizotry ny fandatsaham-bato , ka hosoratany ao amin’ny tatitra ataony ;

Taratasy handraketany ny vokatry ny fanamarihana rehetra nataony ; �

Taratasy momba ny fanisam-bato hanoratany izay olana nitranga, ary �handikany ny vokatra farany azo tao amin’ny birao fandatsaham-vato nametrahana azy ;

Kahie (bloc-notes) iray ; �

Stylo iray ; �

Page 73: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

68

Dika mitovy amin’ny lalàm-pifidianana. �

Atoro antsika fa tokony hovatsina jiro fanao am-paosy sy vatoaratra ny delege , mba hampiasainy raha sendra tsy misy herinaratra mandritra ny fandatsaham-bato; ampitondray rano sy tsakitsaky kely koa izy. Mba.hisian’ny fitonian-tsaina ao aminy dia tokony hotohanana araka izay azo atao ny delege. Ilaina mihitsy ny mitety ny birao fandatsaham-bato, ho fandrisihana sy ho fisaorana azy tamin’ny nahatongavany, na miantso azy an-tariby ihany koa mba hampiakatra ny herin-tsainy. Aza hadinoina fa mandreraka tokoa izany miandry ao amin’ny birao fandatsaham-bato mandritra ny iray andro izany !

Araka izay azo atao dia manomana sakafo ho azy. Hankasitraka tanteraka izany ezaka ataonao ho azy izany izy.

Tombony ho azy koa ny manana famataranandro. Afaka manamarina ny ora isokafana sy ikatonan’ny birao fandatsaham-bato izy, na ny fotoana isehoan’ny olana mety hitranga, izay heveriny fa ilaina hosoratana ao amin’ny tatitra.

Lazao mazava amin’ny delege koa hoe rahoviana, ahoana ary iza no handefasana ny tatitra an-tsoratra amin’ny fikatonan’ny birao fandatsaham-bato.

Aza hadinoina mihitsy ny misaotra ny delege. Nandray anjara tamin’ny fiarovana ny tombontsoan’ny antoko izy tao amin’ny birao fandatsaham-bato. Mbola ilain’ny antoko hatrany ny fitokisana sy ny traikefa ananany amin’ny fifidianana manaraka. Aoka isika hamaly fitia. Ny fisaorana atolotra azy amin’ny alalan’ny taratasy na antso an-tariby na fankasitrahana am-bava, dia vavolombelon’ny fankasitrahan’ny antoko ny hatsaran’ny asa fandraisana anjara nataony.

Page 74: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

69

Inona aVy Ireo mason-tsIVana ho amIn’ ny fanaparItahana ?Fifankahazarana amin’ny toerana ametrahana azy

Tokony hanana fahalalana feno momba ilay faritra ametrahana azy ny solontena alefa any.  Tsy hoe  fahalalana ny  toetany  ao  amin’ilay  faritra  fotsiny no  ilaina;  fa  andrasana aminy koa ny fahaizana ny fiteny sy ny fomba amam-panao ao an-toerana, ary tokony ho  fantany  koa  ny  zava-misy  sy  ny  fanamby  ataon’ilay  fari-piadidiana  mikasika  ny fifidianana.

Birao fandatsaham-bato akaiky ny toeram-ponenany

Tsy ampy ny fahalalana tsara ny toerana ametrahana azy. Tokony ho fantatry ny mpifidy koa izy. Aza hadinoina fa miantoka ny fisian’ny antoko na ny kandidà ao amin’ny biraom-pifidianana izy, ary mbola izy koa no loharanom-baovao voalohany momba ny fizotry ny  raharaha  fandatsaham-bato  sy  fanisam-bato. Ny  tsara  indrindra dia olona mpifidy voasoratra    ao amin’ilay birao  fandatsaham-bato no apetraka ho delege ao amin’ilay toerana.

Fankatoavana

Raha  tsy  manana  fankatoavana  ny  delege  dia  tsy  azo  apetraka  ao  amin’ny  biraom-pifidianana  amin’ny  andro  fandatsaham-bato.  Asehontsika    fa  mahafantatra  tsara ny  fombafomba  sy  ny  fepetra  fanaon’ny  CENI-T  amin’ny  fanomezana  fankatoavana isika.  Io  fankatoavana  io mantsy no manambara  fa mahazo miditra  ao amin’ny birao fandatsaham-bato izy. Mandraisa àry fepetra  hiantohana ny fahazoan’ny delege tsirairay ny fankatoavana azy ara-potoana. 

Fandrakofana ny faritany rehetra

Ny  tsara  indrindra  dia  ny  fametrahana  ny  delege  isaky  ny  biraom-pifidianana  misy. Raha  tsy ho vita  izany dia aoka havondrona ny hery  sy ny  fananana ho ao amin’izay toerana tena  ilain’ny antoko. Ohatra, azonareo alefa any amin’ny fari-piadidiana sy ny birao  fandatsaham-bato  fantatra  fa  mety  handresen’ny  antokonareo  ny  hery  sy  ny fanananareo, fa aza aparitaka manerana ny nosy any amin’ny toerana izay fantatra fa ho sarotra ny raharaha, na ho lasan’ny mpifanandrina aminareo ny fandresena.

Page 75: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

70

Page 76: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

71

Toko faha-5 Ny fanangonana vaovao

Tanjona

Amin’ny fiafaran’ny fandinihana ity lohahevitra ity, ny mpandray anjara dia :

Hanaiky fa ny fanaraha-maso ny Êraharaham-pifidianana ataon’ny delege dia tsy voafaritra ho amin’ny andro fandatsaham-bato fotsiny ihany.

Ho afaka hamaritra ireo singan-javatra Êsamihafa hoentiny mandrafitra ny fanamarihana hataony momba ny andro fandatsaham-bato sy ny zotram-pifidianana rehetra.

Teny fampidirana

Ity asa ity dia ahafahan’ny mpiofana mandinika ny endri-javatra rehetra mikasika ny dingana arahina amin’ny raharaham-pifidianana, sy mamaritra izay hevitra tokony hotandremana manokana isaky ny dingana amin’ilay raharaham-pifidianana. Satria moa ny anjara asan’ny antoko politika dia ny manombana ny fahalalahan’ny zotram-pifidianana, ny maha-ara-drariny sy azo itokiana azy, noho izany tsy mifototra amin’ny fanaraha-maso ny andro fandatsaham-bato sy ny miaraka aminy fotsiny ny zotram-pifidianana. Ny antoko politika dia tokony hanana haja amam-boninahitra, sahala amin’ny fananan’ny firaisamonim-pirenena fahaiza-manao amin’ny fanaraha-maso ny dingana samihafa amin’ny zotram-pifidianana, indrindra ny vanim-potoana mialoha sy aorian’ny fifidianana. Tokony havoitran’ny mpampiofana izany ireo fanontaniana samihafa amin’ireo dingana ireo na dia ny andro fandatsaham-bato ihany aza no hizingizinin’ny mpandray anjara.

tsara ho fantatraVanim-potoana mialoha ny fifidianana

Ny  raharaha mandritra ny vanim-potoana  mialoha  ny  fifidianana dia  tsy  omen’ny mpanao  politika lanjany  loatra  mitaha  amin’ny andro  fandatsaham-bato,  nefa  io vanim-potoana  io  dia  ahafahana miantoka ny tombontsoan’izy ireo tokoa. 

Amin’ny  ankapobeny,  ivelan’ny fanoratana  ny  anaran’ny  olona ao  amin’ny  lisi-pifidianana,  izay azon’ny  delege-n’antoko  na kandidà  atrehina  araka  ny  lalàna, dia  tokony  hatao  asa  fanao mahazatra ho an’ny lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny antoko (ireo tomponandraikitra  voalohany, ny  solombavam-bahoaka…)  ny fanaraha-maso  ny  raharaha  hafa momba ny zotram-pifidianana. Tsy tokony  hiahotrahotra  mihitsy  izy ireo  hanatanteraka  fivoriana  ara-potoana  handinihana  sy  hiadian-kevitra  mikasika  ny  antony  ilàna marina  ireny  raharaha  samihafa ireny,  mba  hahafahany  mandray fanapahan-kevitra avy eo.

Page 77: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

72

Efa fantatra fa hisy ireo dingana momba ny raharaham-pifidianana any aoriana ; koa ireto misy fanontaniana hanampy ny antoko amin’ny fanombanany ny zotram-pifidianana.

VANIM-POTOANA MIALOHA NY FIFIDIANANAny rafItry ny lalàmpanorenana sy ny lalàna Velona momba ny fIkaraka-rana ny fIfIdIanana

Iza avy ireo mpandray anjara tamin’ny fandrafetana ny lalàm-pifidianana ?• Ahoana ny fomba nankatoavana ny Fehezan-dalàna momba ny fifidianana (didy • hitsivolana, lalàna, fitsapan-kevi-bahoaka, fifanarahana politika, tondrozotra…)Fitondram-panjakana  manao  ahoana  no  mitondra  ary  inona  no  foto-kevitra • iorenany ? Inona avy ireo fahalalana sy zo fototra maha-olona iantohan’ny Lalàmpanorenana • sy ny lalàna velona eto amin ‘ny firenena ?   Inona avy ireo fepetra noraisina hahazoana manao fifidianana ? • Misy  fomba  noheverin’ny  lalàna  ve  hampiroboroboana  ny  fifandanjan’ny • fandraisana anjaran’ny lahy sy ny vavy amin’ny fifidianana ? Iza no manana andraikitra hikarakara fifidianana ? • Ahoana ary iza no manendry ireo manampahefana hitantana ny fifidianana ? • Inona  avy  ny  fahefana  ananany? Ambaratongana  fahaleovan-tena  toa  inona  no • ananany ?

ny fItantanana ny raharaham-pIfIdIanana

Ny rafitra napetraka hitantana ny zotram-pifidianana ve nahazo ny fahatokisan’ny • olona mpandray anjara rehetra voakasiky ny raharaham-pifidianana ? Iharan’ny  tsindry  avy amin’ny antoko politika  ve  ireo mpitantana ny  raharaham-• pifidianana ? Mahaleotena manoloana ny fahefana mpanatanteraka ve izy ireo ? Ny  mpikambana  manana  fahefana  handray  fanapahan-kevitra  ve  mba • nampandraisina anjara amin’ny fandrafetana ny sori-dalana voafaritry ny Vaomiera mpikarakara raharaham-pifidianana ? Manaraka izay voalazan’ny didy aman-dalàna ve ny fomba fiasa nampiharina ? Misy  fandrindrana  asa  mahomby  ve  eo  amin’ny  Vaomiera  foibe  Misahana  ny • raharaham-pifidianana sy ireo rantsa-mangaika samihafa any ifotony sy any amin’ny faritra ? Iza  no  mamatsy  vola  ny  asa  tanterahin’ny  Vaomiera  Misahana  ny  raharaham-• pifidianana ? Nomena ny Vaomiera tamin’ny fotoana nilany azy ve ny vola ? Manana  traikefa sy voaofana  tsara ve ny mpiasa mpanatanteraka ny  raharaham-• pifidianana ? 

Page 78: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

73

ny famarItana ny farI-pIadIdIam-pIfIdIanana sy ny fomba fandatsaham-bato

 Iza  no  mamaritra  ny  fari-piadidiam-pifidianana?  Inona  ny  fahefana  manokana • nomena azy manoloana izany ?  Fomba ahoana no namaritana ny fari-piadidiam-pifidianana ? •  Inona avy ireo mason-tsivana napetraka ho amin’izany famaritana izany ? •  Fari-piadidiam-pifidianana firy no nizarana ny firenena manontolo ?  •  Mamaly ny fepetra momba ny fifandanjana sy ny fisoloan-tena ve izany famaritana • izany ? Ahoana avy ireo fomba fandatsaham-bato isaky ny fifidianana? Manampy amin’ny • fahazoana fisoloan-tena politika sy fifandanjana eo amin’ny Vaomiera mpanapaka ve izany fomba fandatsaham-bato izany ?

ny fanoratana ny mpIfIdy

Ahoana no fisehon’ny fanoratana ny mpifidy ? • Voatery hisoratra anarana ve ny olona ? • Mahafantatra ny andro sy ny ora andalovan’ny mpanisa ny mpifidy ve ny olona ? • Misy fepetra horaisina ve hanonerana ny tsy fahatraran’ny mpanisa vato ny olona tao an-tranony  tamin’ny fotoana nandalovan’izy ireo ? Inona ny fitaovana ampiasaina enti-mampahafantatra vaovao amin’ny mpifidy ? • Ampy ve ny fitaovana hoenti-manisa ny mpifidy ? • Firy ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana mialoha ny andro fandatsaham-bato ? • Misy  ve  ampahan’olona  voailika  tsy  voasoratra  ao  amin’ny  taratasy  fanisana  ny • mpifidy ? hoana ny fomba natao hanoloana ireo tahirin-kevitra very na nangalarina ? • Inona ny olana mateti-pitranga tamin’ny fanisana mpifidy ? Nisy fomba mahomby • ve noraisina hamahana izany olana izany ? Inona ny fomba ahafahan’ny antoko politika mandray anjara  amin’io fomba fiasa • io ? Nomena dika mitovy tamin’ny antontam-baovao fototra momba ny rejisitra misy • ny anaran’ny mpifidy ve ny antoko politika ?

ny fIsoratana anarana ny antoko polItIka sy fanendrena ny kandIdà

Ny fepetra napetraka ho amin’ny fisoratana anarana ve manavaka sy/na manilika • kandidà na antoko politika ? Nanaraka  izay  voalazan’ny  lalàna  ve  ny  fomba  narahina  tamin’ny  fanoratana • anarana ny kandidà ? Misy ve ny lalàm-pitondran-tena tsy maintsy arahin’ny kandidà na ny antoko ? • Nampiharina sy nohajaina ve ilay lalàm-pitondran-tena ? • 

Page 79: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

74

Mitovy daholo ve ny fitsipi-dalao ho an’ny antoko rehetra ? • Misy ve fepetra natao hanakanana ny mpanao politika tsy ahafahany mametraka ny • filatsahany hofidina, na fepetra ara-batana izany, na ara-panjakana na ara-politika ? Inona ny sampandraharaha mahefa amin’ny fanadihadiana ny filatsahan-kofidina ? • 

ny fampIelezan-keVItra Voahaja amin’ny ankapobeny ve ireo fitsipi-dalàna mifehy ny fampielezan-kevitra ?  • Voahaja ve ny fe-potoana voatondron’ny lalàna ho fanatanterahana ny fampielezan-• kevitra ? Ahafahan’ny  antoko  rehetra mandray  anjara  tsy  amin’ny  ahiahy  amin’ny  zotram-• pifidianana ve ny rivotra iainana mandritra ny fampielezan-kevitra ? Misy karazana fanavakavahana ny antoko na mpanao politika iray ve hita nandritra • ny fampiharana ny zotram-pifidianana ? Maka fahazoan-dalana amin’ny mpitondra mahefa ve raha hamory na hanangona • olona amin’ny fampielezan-kevitra ?Nomena tsy misy fiangarana ve izany fahazoan-dalana izany ? • Misy fomba araka ny lalàna na ara-politika na ara-panjakana, na endrika fandrahonana • atao ve hamerana ny fahalalahana politika  mandritra ny fampielezan-kevitra ? Mahazo fotoana mitovy ao amin’ny haino aman-jery ve ny antoko politika ?• 

ny famatsIam-bola ny antoko sy ny fampIasana ny fananam-panjakana ho an’ny tombontsoan’ny tena

Misy  sampana mpanara-maso  ve  hifehy  sy  hankato  ny  vola  fanampiana  azon’ny • antoko na ny kandidà ? Misy sampan-draharaha napetraka ve hanara-maso ny fampiasam-bolan’ny antoko • sy hanasazy raha misy fandikan-dalàna natao ? Hatramin’ny ohatrinona ny fetran’ny famatsiam-bola avy amin’ny fanjakana na avy • amin’ny fikambanana tsy miankina voarain’ny ny antoko politika na ny kandidà ? Misy ve  fetra  farany ambony na  famerana ny vola holanina amin’ny  fampielezan-• kevitra , ary ahoana no fitsinjarana izany amin’ireo vanim-potoam-pifidianana isan-karazany ? Misy ve fomba hafa ho amin’ny famatsiam-bola an-kolaka ny antoko politika, toy ny • fanamaivanana ny fandoavan-ketra ohatra ? Ampiasain’ny antoko politika amin’ny inona ny vola azony (ho an’ny fandaminana • anaty ao amin’ny antoko ohatra, na ho amin’ny fampielezan-kevitra) ?Misy kandidà mampiasa fananana  na vola  na mpiasam-panjakana ho eo ambany • fahefany ve amin’ny fampielezan-kevitra ?

Page 80: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

75

bIrao fandatsaham-bato Mifandanja  amin’ny  isan’ny  mponina • isaky  ny  kilaometatra  toradroa  sy  izay takin’izany fitsinjaran’ny mponina   izany ve ny isan’ny birao fandatsaham-bato ? Ny toerana misy ny birao  fandatsaham-• bato ve ahafaha-miantoka fa ho mora ny fankanesana  any,  ary  azo  hamaivanina noho  izany  ny  mety  ho  fahaverezam-potoana ho an’ny mpifidy ? Amin’ny  toerana  voatondron’ny  lalàna • ve no misy ny birao  fandatsaham-bato, ary  misy  fepetra  fampiharana  noraisina ve mba hiantohana ny tsiambaratelon’ny latsa-bato ? Ampy ve ny isan’ny birao (ny salanisan’ny • mpifidy isaky ny birao) ?Mora  ho  an’ny  mpifidy  ve  ny  mahita • ny  toerana  misy  ilay  birao,  ary  tsy manahirana ve ny lalana mankany ? Misy  ve  ny  birao  fandatsaham-bato • manokana  ?  (latsa-bato  natao  mialoha ny  fotoana  ohatra,  birao mifindrafindra toerana) Manao ahoana ny fotoam-piasan’ny birao • fandatsaham-bato amin’ny ankapobeny, ary  voahaja  araka  ny  tokony  ho  izy  ve izany ? Misy  marika  ve  ahitana  fa  nanao • fampielezan-kevitra  teny  amin’ny manodidina ny birao fandatsaham-bato ny antoko politika na kandidà ?

ny fItaoVana ampIasaIna : ny bIletà, ny Vata fandatsaham-bato, ny efItra fItokanana, sns.

Feno  sy  azo  ampiasaina  daholo  ve  ny • fitaovana ilaina amin’ny fifidianana ? Voatahiry  sy  voaaro  araka  ny • voatondron’ny  lalàna  ve  ny  vata fandatsaham-bato,  ny  biletà  ny 

ny andron’ny fIfIdIanana

Omena  toromarika  ny  delege 

mba  ho  tonga  ara-potoana  ao 

amin’ny  birao  fandatsaham-bato. 

Tadidio  ny  voalazan’ny  And  36 

amin’ny  Fehezan-dalàna  momba 

ny  fifidianana  manambara  ny 

fisokafany amin’ny 6 ora maraina ary 

ny fikatonany amin’ny 5 ora hariva. 

Tokony  ho  tonga  antsasak’adiny 

mialoha  ny  fisokafan’ny  birao 

fandatsaham-bato  nametrahana 

azy  ny  delege.  Ho  afaka  hanaraka 

sy  handray  an-tsoratra  ny  raharaha 

rehetra  nandritra  ny  fisokafan’ny 

birao izy amin’izay. 

Rehefa  tonga  izy  dia  manatona 

ny  mpiandraikitra  ny  birao 

fandatsaham-bato  ary  mampiseho 

taratasy  fahazoan-dalana  avy  any 

amin’ny tompon’andraikitra mahefa 

tao  amin’ny  rantsa-mangaikan’ny 

CENI-T, mba hahafahany mijanona ao 

amin’ny birao mandritra ny  tontolo 

andro.  Tokony  hotandremana  tsara 

ny  fanaraha-maso  ny  raharaha 

momba  ny  fandatsaham-bato  sy 

ny  fanisam-bato  voalaza  manaraka 

ireto..

Page 81: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

76

lisi-pifidianana  sy  ny  fitaovana  hafa,  mandra-pahatongany  any  amin’ny  birao fandatsaham-bato ? Natao peta-drindrina any ivelan’ny birao fandatsaham-bato ve ny lisi-pifidianana ? • Mora azo sy mazava tsara ve ny biletà ? • Mety ho azo fantarina amin’ny alalan’ny biletà ve izay nofidin’ny olona ?• 

ny tsIambaratelon’ny latsa-bato

Voalamina mba  tsy hahatazanana  izay marika  ataon’ny mpifidy  ao  amin’ny biletà • ve  ny  birao  fandatsaham-bato  ?  Misy  fepetra  na  fitaovana  afaka  miantoka  ny tsiambaratelon’ny latsa-bato ve ? (efitra fitokanana ohatra) Miantoka ny  tsiambaratelon’ny  latsa-bato ve ny  toerana nametrahana ny efitrano • fitokanana ? Karazana vata fandatsaham-bato inona no nampiasaina ? • Nisy  hidina  vata  ve  nampiasaina  ?  Karazana  hidiny  inona  ?  Fisiana  na  tsy  fisiana  • hidiny ?

NY ANDRO FANDATSAHAM-BATOfomba sy fIzotry ny latsa-bato

Fomba sy fizotry ny latsa-bato  • Iza avy ireo mpikirakira ny raharaham-pifidianana tokony ho hita amin’ny fametrahana • sy amin’ny fisokafan’ny birao fandatsaham-bato? Ahitana delege-n’antoko hafa na solontenan’ny kandidà hafa ve ao amin’ny birao ? • Firy ny isany ary solontenan’ny antoko inona na kandidà inona izy ireo ?Ahitana  mpanara-maso  ny  fifidianana  avy  eto  an-toerana  sy  avy  any  ivelany  ve • tamin’ny  fisokafan’ny birao,  nandritra ny  tontolo  andro,  ary  tamin’ny  fikatonan’ny birao ? Firy ny isan’izy ireo, ary avy amin’ny fikambanana inona avy ? Nisokatra  tamin’ny  fotoana  voatondron’ny  lalàna  ve  ny  birao  fandatsaham-bato? • Oviana no nanomboka ny latsa-bato ? Ny mpikirakira ny raharaham-pifidianana ve mahafehy tsara ny fombafomba fanao • amin’ny fametrahana sy fanokafana ny birao ? Voaaraka tsara ve ireo fombafomba ireo ? Manaja izay voarakitry ny fehezan-dalàna manan-kery sy ny fenitra iraisam-pirenena • ve ny ny fizotry ny raharaha fandatsaham-bato ? Naseho ho hitan’ny olona ve fa foana ilay vata fandatsaham-bato vao nohidina sy • nanomboka ny latsa-bato ?Iza no miantoka ny fiarovana ao amin’ny birao? • Nohamarinina ve fa tsy nisy ranomainty tsy hay kosehina ny rantsan-tanan’ny mpifidy • mialoha ny hirosoany amin’ireo dingana samihafa amin’ny raharaha fandatsaham-bato ? 

Page 82: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

77

Inona avy ny fepetra noraisina hisorohana ny fiverimberenana mandatsa-bato ?• Voatandro sy voahaja ve ny fitsipika fototry ny latsa-bato miafina ? • Hafiriana ny fotoana lanin’ny mpifidy iray amin’ny fandatsaham-bato ? • Tena marihina amin’ny ranomainty tsy hay kosehina tokoa ve ny rantsan-tanan’ny • mpifidy avy nandatsa-bato ? Nisy  trangana  fandrahonana na  olana mahery  vaika  voamarika  ve  tao  anatiny  na • teny amin’ny manodidina ny birao fandatsaham-bato ? Nikatona tamin’ny fotoana voatondron’ny lalàna ve ny birao fandatsaham-bato ? • Firy ny isan’ny mpifidy mbola nilahatra tamin’ny ora voatondro hikatonan’ny birao ? • Mbola nomena alalana hampiasa ny zony handatsa-bato ihany ve izy ireo ? Voaaraka tsara ve ny fepetra rehetra  takina amin’ny fikatonan’ny birao fandatsaham-• bato ? Inona avy ny fepetra noraisina hiantohana ny fiarovana  ireo fitaovana nampiasaina • tamin’ny fanatanterahana ny raharaham-pifidianana, toy ny vata fandatsaham-bato, ny biletà, ny antontan-taratasim-panjakana sy ny fitanana an-tsoratra ? 

ny fanIsam-bato Taiza no natao ny fanisam-bato ? • Nisy delege-n’antoko politika na solontenan’ny kandidà ary mpanara-maso hafa ve • tonga,  ankoatra anao delege? Raha toeran-kafa no nanatanterahana ny fanisam-bato,  inona ny fepetra fiarovana • noraisina amin’ny fitaterana ny vata fandatsaham-bato sy ireo fitaovana hafa ? Ny  mpikirakira  ny  raharaham-pifidianana  ve  mahafehy  ny  fombafomba  arahina • rehetra ? Nosokafana  teo  anatrehan’ny  delege-n’antoko  politika,  ny  solontenan’ny  kandidà • ary ny mpanara-maso ny fifidianana ve ny vata fandatsaham-bato ? Mifanentana amin’ny  isan’ny mpifidy voasoratra ve ny  isan’ny vato  tao anaty vata • fandatsaham-bato ? Ny  fanapahan-kevitra  tsy  hampanan-kery  ny  vatom-pifidianana  ve manaraka  izay • voalazan’ny fehezan-dalàna manan-kery ? Firy ny tahan’ny vato fotsy sy tsy manan-kery ? • Nahazo  dika mitovy  tamin’ny  fitanana  an-tsoratra  ny  fanisam-bato  ve  ny  delege-• n’antoko politika ? Natao peta-drindrina avy hatrany ve ny vokatry ny latsa-bato ? • Rehefa vita ny fanisam-bato,  inona ny fepetra noraisina iantohana ny fiarovana ny • vata fanisam-bato sy ny fitaovana hafa nampiasaina ? Inona no voarakitry ny    lalàna velona mikasika ny  fandefasana sy ny fiarovana   ny • fitaovana rehetra aorian’ny fanisam-bato ?

Page 83: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

78

VANIM-POTOANA AORIAN’NY FIFIDIANANAfanambarana ny Voka-pIfIdIanana

Iza  no  fahefa-mahefa  afaka  manambara  amin’ny  fomba  ofisialy  ny  voka-• pifidianana ?Misy tetiandro voatondro mazava ve mametra ny fe-potoana hanambarana ny voka-• pifidianana ? Azo ekena ihany ve izany fe-potoana izany raha jerena ny toe-java-misy eo amin’ny • firenena sy ny isan’ny olona niasa, ny fitaovana sy ny lasim-pandaminana na lojistika nampiasaina ? Firy ny fotoana lany marina nanelanelana ny fiafaran’ny latsa-bato sy ny fanambarana • amin’ny fomba ofisialy ny voka-pifidianana ? Nanao ahoana ny vokatry ny latsa-bato?  • Nisy elanelany ve  teo amin’ny voka-pifidianana nandritra ny andro nandatsaham-• bato sy ny voka-pifidianana nambara tamin’ny fomba ofisialy ? Firy ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy ? • Firy ny tahan’ny vato fotsy sy tsy manan-kery ?• 

fantatrao Ve ?Afaka manao fanisana vato malaky na mirazotra ianareo

Ny  fanisana « malaky » dia  fanisana mirazotra ny vato mba hahazoana an’eritreritra ny isan’ny  vato  manan-kery  mety  ho  azon’ny  antoko  na  ny  kandidà  manerana  ny  nosy, na ao anaty  fari-piadidiam-pifidianana  iray  voafaritra.  Tsy  fanisana natao hifaninana na hifandrafy na an-kiafinafina amin’ny  fanisam-bato ofisialy ataon’ny Vaomiera misahana ny  fifidianana  akory  izy  io.  Raha  tonga  ao  amin’ny  birao  fandatsaham-bato  avokoa ny  delege  rehetra  amin’ny  fotoana  hanatanterahana  ny  fanisam-bato,  dia  ho  afaka hampita any amin’ny antoko ny vokatry ny latsa-bato manerana ny birao nametrahana azy  izy  rehetra.  Ekena  fa  ny  Vaomiera misahana ny  fifidianana no hany  fahefa-mahefa hitantana ny raharaham-pifidianana, ary  izay vokatra avoakany ho fanta-bahoaka  ihany no manan-kery. Izany indrindra no ilazana hoe ny delege dia tsy tokony hanangona afa-tsy ny voka-pifidianana ofisialy avoakan’ny mpikirakira ny raharaham-pifidianana avy ao amin’ny CENI-T tao amin’ny birao fandatsaham-bato ihany ; efa misy rahateo ny fitanana an-tsoratra voasonian’ireo solontenan’ny antoko sy ny kandidà momba izany. Ny voka-pifidianana nampitaina izany dia ireo isa marina  araka izay navoakan’ny filohan’ny birao ho fanta-bahoaka, ary voamarin’ny mpanara-maso sy ny solontenan’ny antoko politika na ny kandidà tonga nanatrika  tao amin’ny birao fandatsaham-bato.

Page 84: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

79

ny fIfanolanana mIkasIka ny fIfIdIanana

Inona avy ireo fehezan-dalàna momba ny fandravonana ny fifanolanana mikasika ny • fifidianana ? Iza  avy  ireo  fahefa-mahefa na  sampandraharaha nomena  tombontsoa manokana • handravona ny fifanolanana mikasika ny fifidianana ? Manana olona sy fitaovana sahaza  tsara ny  fanatanterahany ny andraikiny ve  ireo • fahefa-mahefa na sampandraharaha ireo ? Firy  ny  isan’ny  fitoriana  sy  fitarainana  nampidirina  araka  ny  lalàna  tany  amin’ny • fahefa-mahefa ? Iza  no  nampiditra  ny  fitoriana  ?  Ny  antoko  politika  ve,  sa  ny  kandidà  sa  ny • olompirenena? Inona no tohin’ny fitoriana natao ary maharitra hafiriana ny fandravonana azy ? • Misy  fepetra ve ahazoana mampiakatra ny  raharaha amin’ny sehatra ambonibony • kokoa ?

Page 85: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

80

Page 86: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

81

Toko faha-6 Fanadihadiana tranga sy tatitra

Tanjona

Amin’ny fiafaran’ny fandinihana ity lohahevitra ity, ny mpandray anjara dia :

Ho afaka hampihatra ny fisainana manao jerikiana avy amin’ny zava- Êmisy noforonina

Hahay mandamina ny fanamarihana ataony amin’ny alalan’ny Êfananganana takela-panontaniana ho amin’ny andro fandatsaham-bato ?

Hahafantatra bebe kokoa momba ny nandravonana ny fanamarihana Êsamihafa nataony ?

Teny fampidirana

Ity toko iray ity dia ahafahan’ny mpiofana mieritreritra momba izay karazana seho mety ho hitany ao amin’ny birao fandatsaham-bato, ary ahafahany koa mizatra amin’ny fomba fanaovana ny tatitry ny fanamarihana ataony. Ho afaka hahafantatra ireo sampandraharaha hampitana ny fandikan-dalàna samihafa hitany koa izy ireo, ary hampifandray izany amin’ny didy aman-dalàna momba izany.

Dingana 1 >Asaina mitsitoko ho sokajy vitsivitsy ny mpiofana handinika ny tranga nomena hohadihadiany. Hovakiny ny tranga tsirairay dia hovaliny avy eo ny fanontaniana mikasika izany.

Dingana 2 >Rehefa izany dia ampihaonina miaraka ny mpiofana rehetra ary asaina mitatitra ny ady hevitra nataony ny sokajy tsirairay.

Page 87: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

82

tranGa 1Delege-n’antoko politika ao amin’ny birao fandatsaham-bato an’ny faripiadidiam-pifidianana ao Toamasina ianao. Misy delege-n’antoko roa hafa koa tao, dia ny antoko « Tsy raharahako izany », ary ny « Tsy Misy Dikany ». Ahitana mpanara-maso vitsivitsy avy amin’ny firaisamonim-pirenena koa tao.

Nisy fahatarana 15 minitra ny fisokafan’ny birao fandatsaham-bato noho ny hidim-baravarana nihitsoka. Tonga ny mpifidy iray, ramatoa RASAVORITAKA izay voafafa tao amin’ny lisi-pifidianana ny anarany. Nolazainy fa tsy mbola nifidy akory izy dia efa voafafa sahady tsy ho ao anaty lisitra ny anarany. Ny filohan’ny birao fandatsaham-bato izay tsy nanana ny lisi-pifidianana teo am-pelan-tanany, dia nandray ny fanambaran’ilay ramatoa, ary nametraka izany tao anaty valopy dia nohidiny ilay valopy. Nasainy nanao sonia avy eo ny delege rehetra mba ho vavolombelona, ary nihevitra ny hanome biletà ho an’ilay ramatoa sy hanome alalana azy hifidy izy.

Fanontaniana :Nety ve ny fihetsika nataon’ilay filohan’ny birao fandatsaham-bato ? 1. Fepetra inona ao amin’ny lalàna manan-kery no entinao manohana ny 2. hevitra ? Ahoana ny ho fihetsikao manoloana fomba fanao toy izany ? 3. Inona no tatitra hataonao ho an’ny antokonao ?4.

Page 88: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

83

tranGa 2Delege ao amin’ny fari-piadidiam-pifidianana « danger » ao Antananarivo ianao. Misy koa delege-n’antoko maro sy mpanara-maso roa efa tonga ela tao.

Tamin’ny 6 ora no nisokatra ny birao fandatsaham-bato ary tara 45 minitra ny fikatonany, na dia mbola nisy mpifidy nilahatra aza tao ivelany, noho ny oram-baratra be nandritra ny tontolo andro, izay niteraka fitetezan’ny tafo ; voatery nanajanona nandritra ny fotoana vitsy ny fandatsaham-bato ilay filohan’ny birao Atoa TSISY FIANTRANA, ary voatery nanangona ny mpifidy teo amin’ny zorony iray amin’ny efitrano fandatsaham-bato, noho ny tsy fisian’ny fialofana tany ivelan’ny trano. Nataon’ny filoha azo antoka tsara anefa fa lavitra ny biletà sy ny lisi-pifidianana ary ny fitaovana hafa ampiasaina amin’ny raharaham-pifidianana ireo olona mialoka ireo. Dia teo amin’io zorony voafefina tady io no niandry izy rehetra.

Teo andanin’izany koa tamin’ny fisokafan’ny birao, dia tsy mbola nisy lisi-pifidianana tena izy tao ka niandry ny fahatongavany Atoa TSISY FIANTRANA ; 45 minitra taty aoriana vao tonga ilay lisitra ; izay no nampihemotra ny fiandohan’ny fandatsaham-bato

Nandritra ny fandatsaham-bato dia nampiseho ireto karatra ireto ny mpifidy : ny karapanondrom-pirenena na pasipaoro, ny kara-pifidianana, karatra fahazoan-dalana hamily fiarakodia ho an’ny sasany. Nisy mpifidy iray nitondra karatra fakana vola ka tsy navelan’ny filoha hifidy, nefa navelany hifidy tsy nisy fombafomba arahina na fanamarinana ny andian-tovovavy tanora fantatry ny olona tao amin’ny fokontany. Taorian’ny latsa-bato nataon’izy ireto dia nivoaka tsy nanao sonia ny lisi-pifidianana sady tsy nasiana ranomainty tsy hay kosehina ihany koa.

Tamin’ny famaranana ny latsa-bato dia nolavin’ny filohan’ny birao ny delege iray avy amin’ny antoko « RAMATAHORA », izay nanana fitomboka vorondolo, satria hoy ny filoha hoe tsy ilaina akory ny sonian’ny delege amin’ny fitanana an-tsoratra. Ny delege-n’ny antoko « IZAHO NA TSISY » dia nandà tsotra izao tsy hanao sonia na dia voarakitra ao amin’ny fitanana an-tsoratra aza ny fanamarihana nataony. Tsy niraharaha kosa ny delege-n’ny antoko « MBOLA HISY TOHINY » ka nivoaka ny efitrano sady nandà tsy hanao fanamarihana sy sonia tao amin’ny fitanana an-tsoratra.

Page 89: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

84

tranGa 3Delege-n’ny antoko tao amin’ny biraom-pifidianana tao Moramanga ianao. Nitsipaka ny fanampian’ny filohan’ny birao fandatsaham-bato natao tamin’ny mpifidy iray tsy mahay mamaky taratasy ny delege-n’ny antoko « BE SANDRY », ka nanomboka nampikatso ny zotram-pifidianana. Taorian’ny fifampiresahana naharitra nandresena lahatra azy dia niantso ny mpitandro filaminana ny filoha mba hisambotra ilay delege.

Nanolotra olona iray hisolo azy ny antoko, saingy nosakanana tsy hiditra ny birao noho ny anarany tao anatin’ny lisitry ny delege nampitain’ny antoko hatrany am-boalohany.

Nandritra ny fotoana fanisam-bato dia voamarika fa nisy mpifidy an-jatony nanoratra tao anaty biletà, teo amin’ny kandidà nofidiny, na ny anaran’ny antokony, na ny soratra hoe « tiako ianao » narahin’ny anaran’ny kandidà.

Fahavoazana lehibe ho an’ny delege-n’ireo antoko ireo ny nanaovan’ny filohan’ny birao sy ny mpanampy azy ho vato tsy manan-kery an’ireny vato ireny ka naneho fanoherana mivaivay izy ireo. Nantsoina indray koa ny polisy dia afaka nitohy ny fandatsaham-bato. Nomena alalana hanao fanamarihana ao amin’ny fitanana an-tsoratra ny antoko, saingy tsy nomen’ny birao sosona amin’izany izy ireo. Ankoatra izany moa taorian’ny fombafomba samihafa fanao sy manoloana ny hasosoran’ireo delege dia tsy nataon’ny filoha peta-drindrina ny voka-pifidianana, ary natolony an’Atoa RATSY FANAHY lehiben’ny mpitandro filaminana sy ny borigady tarihiny « AZA MIANTEHITRA AMINAY » ny antontan-taratasim-pifidianana mba harovany sy hotateriny.

Tranga 2Fanontaniana :

Hadihadio ny fihetsiky ny mpandray anjara tsirairay ka hamarino izay na-1. tao tamin’ny fiomba ara-dalàna sy ny tsy ara-dalàna. Lazao izay didy aman-dalàna mifehy ny fifidianana azonao anohanana 2. ny hevitrao Eo anatrehan’izany trangan-javatra rehetra izany, inona no fihetsikao ha-3. trany am-boalohany ka hatrany amin’ny farany ?

Page 90: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

85

tranGa 4Delege-n’antoko ao amin’ny birao fandatsaham-bato ao Ambositra ianao. Raha nivoaka kely haka rivotra madio tany ivelany ianao dia nahita fiara « Be Tax » (fiara fitaterana olona) nitondra mpifidy 10. Tazanao ny kandidà vehivavy Rtoa BE FIKIRIZANA nanome vola ny mpamily ilay fiara sy nampidina ireo mpandeha. Nanao fitarainana tany amin’Atoa BOGOSY filohan’ny birao fandatsaham-bato ianao ary nilaza taminy fa fandikan-dalàna tsy araka izay hita ao amin’ny fehezan-dalàna mifehy ny fifidianana izany. Ny kandidà BE FIKIRIZANA kosa dia nanizingizina fa tsy nanome vola mihitsy izy fa ireo mpandeha no nandoa vola.

Etsy andaniny koa RAMAKA, delege-n’ny antoko « TSISY VOLA », reraka ny noana mafy dia niala tao amin’ny birao ary tsy niverina raha tsy efa vita ny raharaha fandatsaham-bato. Nitaraina izy satria reny fa nofenoina hono ny vata fandatsaham-bato nandritra ny fotoana tsy naha-teo azy ka tokony hofoanana avokoa noho izany ny raharahama fandatsaham-bato. Manoloana ny fiziriziriany dia noroahina hivoaka ny trano izy.

Nantsoin’ny filoha BOGOSY ireo namany vehivavy tany an-tranony atao hoe TIA LEHILAHY, BIKANA ary MORA HANDALOVANA, izay fantatra fa mpikambana ao amin’ny antokon-dRtoa BE FIKIRIZANA, mba hatao mpanisa vato.

Fanontaniana :Ahoana ny hevitrao momba ny fihetsiky ny mpandray anjara tsirairay ? 1. Tanisao ireo fehezan-dalàna ampiharina amin’ny olana tsirairay ? 2. Amin’ny maha-delege-n’ny antoko « MPANARA-DALANA » anao, ahoa-3. na ny ho fihetsikao ?

tranGa 3Fanontaniana :

Ny fahitanao ny fihetsiky ny mpandray anjara tsirairay tamin’io tranga 1. io ? Tanisao ireo fehezan-dalàna manan-danja ao amin’ny Lalàm-pifidianana 2. hoentinao manohana ny hevitrao. Ahoana kosa ny ho fihetsikao manoloana izany ?3.

Page 91: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

86

ATAO INONA IREO VAOVAO VOAANGONA ?

Tsy vita tanteraka tamin’ny fanangonana vaovao akory ny andraikitry ny delege naparitaka tany amin’ny birao fandatsaham-bato. Misy ihany fanontaniana vitsivitsy tokony hipetraka raha tiana ny hahita fahombiazana. Ireto avy izany:

Ahoana no atao hahatongavan’ireo vaovao ireo any aminao ? �

Ahoana no hitrandrahana azy? �

Inona no ampiasana azy ? �

Ny foiben’ny antoko dia tokony hametraka sampana iray handray ny vaovao avy any amin’ireo birao fandatsaham-bato manerana ny nosy, araka ny fotoana ahatongavany. Raha marobe ny isan’ny delege naparitaka dia ny sampan’ny antoko any amin’ny faritra, izay mandrindra ny fanaparitahana azy ireo, no manangona ny vaovao any amin’ny delege-m-paritra eo ambany fifehezany. Ampitainy any amin’ny foibe izany avy eo mba hotrandrahana sy hampahafantarina ny lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny antoko. Azo ampitaina amin’ny alalan’ny antso an-tariby mandritra ny tontolo andro koa ireny tatitra ireny. Afaka mampifandray ny mpitarika ao amin’ny antoko sy ny delege ao amin’ny birao fandatsaham-bato ihany koa ny mpikambana ao amin’ny antoko mandeha fiara na moto na bisikileta. Aorian’ny latsa-bato moa dia tsy maintsy ampitaina any amin’ny foiben’ny antoko ny tatitra feno voasonian’ny delege. Loharanom-baovao sarobidy azo ampiasaina tokoa ireny raha misy fitoriana na fitarainana.

Tokony ho voasarika ny saina hahatakatra ny mampiavaka ny atao hoe fandikan-dalàna sy hala-bato, araka ny voarakitry ny didy aman-dalàna mifehy ny fifidianana; fandikan-dalàna ninian’ny mpandray anjara amin’ny zotram-pifidianana atao ny hala-bato mba hampitsimbadika ny vokatry ny latsa-bato (famenoana ny vata fandatsaham-bato ohatra). Marihina aloha fa misy amin’ireny fandikan-dalàna ireny no tsy dia mavesa-danja loatra, hany ka tsy ho afaka hanohintohina mihitsy ny fizotry ny fifidianana (ny fahataran’ny fisokafan’ny birao fandatsaham-bato ohatra).

Page 92: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

87

Page 93: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

88

Page 94: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

89

Tovana

Page 95: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

90

Page 96: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

91

Tovana 1. Andiam-panontaniana ho an’ny delege-n’antoko

Azafady fenoy mazava tsara ireto fanontaniana manaraka ireto, ka asio marika na soraty anaty efitra voatondro ho amin’izany ny valiny1. Ora nahatongavana : |__|__|h |__|__|mn 2. Ora nialàna : |__|__|h |__|__|mn

3. Anaran’ny antoko : |__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|

4. Karazan’ny fifidianana

1) Filoham-pirenena |__| 2) Solombavam-bahoaka |__| 3) Ben’ny Tanàna |__|

5. Anarana sy fanampin’aranan’ny delege : |__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|

|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|

6. N° biraom-pifidianana : |__||__|__|__|

7. Anaran’ny biraom-pifidianana : |__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|

8. Vakim-paritra : |__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|

9. Faritra : ..……………………………………… ..……………………………………… ENY TSIA

10. Nasehon’ny filohan’ny birao fandatsaham-bato tamin’ny olona rehetra tonga teo ve, anatin’izany ny delege-n’antoko, fa tsy misy na inona na inona ilay vata fandatsaham-bato, mialoha ny hanombohan’ny raharaha fandatsaham-bato ?

|__| |__|

11. Nohidina araka ny ny tokony ho izy tamin’ny kadanà mifanaraka aminy ve avy teo ny vata fandatsaham-bato ? |__| |__|

12. Nisokatra ara-potoana ve ny birao fandatsaham-bato ? |__| |__|

13. Raha tsy izany, tamin’ny firy no nisokatra ? |__||__|h|__||__|mn

14. Vonona ny maraina tamin’ny fisokaran’ny birao fandatsaham-bato ve ny fitaovana rehetra ? |__| |__|

15. Ampy tsara ve ny isan’ny fitaovana nandritra ny tontolo andro ? |__| |__|

16. Raha TSIA, farito mazava izany: ………………………………………………..………………………………………..……………………………………… ………………………………………………..………………………………………..………………………………………

17. Voamarina tsar ave ny karatry ny mpifidy sy ny lisi-pifidianana mialohan’ny fandatsaham-bato ? |__| |__|

18. Nisy mpifidy tsy voasoratra anarana tao anaty lisi-pifidianana ve ? |__| |__|

19. Raha ENY, ahoana ny fomba nandaminana izany olana izany : ………………………………………………..………………………………………..……………………………………… ………………………………………………..………………………………………..………………………………………

20. Voatazona ve ny maha-tsiambaratelo ny fifidianana ? |__| |__|

21. Raha TSIA, hazavao : ………………………………………………..………………………………………..……………………………………… ………………………………………………..………………………………………..……………………………………… ………………………………………………..………………………………………..………………………………………

22. Nisy ve: a. delege avy amin’ny antoko hafa ? b. na delege-na kandidà ? c. na koa mpanara-maso hafa ?

|__| |__| |__|

|__| |__| |__|

23. Raha ENY, omeo ny anaran’ny antoko na ny vondrona : a) ……………………………………………….. b) ……………………………………………….. c) ……………………………………………….. d) ……………………………………………….. e) ………………………………………………..

Sonian’ny delege Daty : ____/____/____

Page 97: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

92

Page 98: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

93

Tovana 2. Andiam-panontaniana mikasika ny fanisam-bato

Azafady fenoy mazava tsara ireto fanontaniana manaraka ireto, ka asio marika na soraty anaty efitra voatondro ho amin’izany ny valiny

1. Ora niantobohan’ny fanisana vato

|__|__|h |__|__|mn

2. Ora niafaran’ny fanisana vato

|__|__|h |__|__|mn

3. N° biraom-pifidianana : |__||__|__|__|

4. Anaran’ny biraom-pifidianana : |__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|

5. Vakim-paritra : |__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|

6. Faritra : ..……………………………………… ..……………………………………… 7. Anarana sy fanampin’anaran’ny delege : |__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|

|__|__|__|__|__|__|__| |__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|

8. Anaran’ny antoko politika : |__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|__|

9. Raha toa ka nisy ireo delegen’ny antoko, omeo ny anaran’ireo antoko :

a) ………………………………………………..………………………………………………..

b) ………………………………………………..………………………………………………..

c) ………………………………………………..………………………………………………..

d) ………………………………………………..………………………………………………..

e) ………………………………………………..………………………………………………..

10. Raha misy mpanara-maso, omeo ny anaran’ireo vondrona :

a) ………………………………………………..………………………………………………..

b) ………………………………………………..………………………………………………..

c) ………………………………………………..………………………………………………..

d) ………………………………………………..………………………………………………..

e) ………………………………………………..………………………………………………..

ENY TSIA

11. Mpanara-maso teratany Malagasy : |__| |__|

12. Mpanara-maso teratany vahiny : |__| |__|

13. Voamarina ve ny fihidin’ny gadana mialohan’ny famohàna ny vata ? |__| |__|

14. Raha TSIA, farito mazava : ………………………………………………..………………………………………..………………………………………

………………………………………………..………………………………………..………………………………………

………………………………………………..………………………………………..………………………………………

15. Nisiaina ve ny vato ka nifanitsy tamin’ny isan’ny mpifidy nandray anjara ? |__| |__|

16. Nalalaka sy mangaraharaha ve ny fanisam-bato ? |__| |__|

17. Nisy sakantsakana ve ny fanatontosàna ny fanisam-bato ? |__| |__|

18. Raha ENY, farito mazava izany : ………………………………………………..………………………………………..………………………………………

………………………………………………..………………………………………..………………………………………

………………………………………………..………………………………………..………………………………………

19. Nanao sonia ny PV ko ave ireo delegen’ny antoko ? |__| |__|

20. Nambara teo no eo ve ny vokatra ? |__| |__|

21. Sorato ny vokatry ny fifidianana tao amin’ny biraom-pifidianana nisy anao |__| |__|

Page 99: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

94

KARAZAM-PIFIDIANANA

KANDIDÀ ANTOKO ISAM-BATO

1.

2.

3.

4.

5.

6.

7.

8.

VATO FOTSY :

VATO MATY

TOTALINY

Sonian’ny delege

Daty : ____/____/____

!

Page 100: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

95

Page 101: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

96

Page 102: fanofanana ireo delegen’ - EISA · Tsapan’ireo mpanelanelana politika iraisam-pirenena sy avy eto an-toerana ny lanjan’izany, ka nihevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny andraikitry

CITE AmbatonakangaRue Samuel Rahamefy, BP 74Antananarivo 101, [email protected] - www.cite.mg Maquette : Monja Rajaonarison

Momba ny EISA

EISA dia fikambanana manana tanjona tsy hahazoam-bola, ary any Johannesburg Afrika Atsimo ny foiben-toerany. « Ivotoeram-pifidianan’i Afrika Atsimo » no anarana nentiny ny volana jona

1996 niorenany, mialoha ny niovany anarana ho « « Ivotoeram-pifidianan’i Afrika Atsinanana » Nanomboka ny volana martsa 2010 no nandray ny anarana hoe «Ivotoerana momba ny fifidianana ho fametrahana Demokrasia Maharitra eto Afrika », fiovana anarana mifandraika tsara amin’ny paikady vaovao hizorany ary amin’ny fivelarana ara-toetany sy ara-lohahevitry ny asa sahaniny.

Ny vinan’ity fikambanana ity dia ny hoe : kontinanta afrikana anjakan’ny fitantanam-panjakana demokratika, ny zon’olombelona ary ny fandraisana anjaran’ny olompirenena, ary ireo rehetra ireo dia anaty fitandroana ny fandriampahalemana. Izany vina izany dia tanterahina amin’ny alalan’ny iraka hotontosain’ny fikambanana hikendrena ny lafatra amin’ny fampiroboroboana fifidianana azo itokiana, sy demokrasia mampandray anjara ny olon-drehetra, ny fikoloana ny zon’olombelona ary ny tan-tsoroka ho an’ireo andrim-panjakana mpitantana, mba ho fanamafisana orina ny demokrasia manerana an’i Afrika.

Tao anatin’ny taona vitsy, raha Fikambanana Tsy Miankina iraisam-pirenena manampy amin’ny fanatanterahana fifidianana no niandohan’ny EISA, dia lasa fikambanana mivelatra kokoa izay miasa manerana ny kontinanta afrikana izy, miaraka amin’ireo mpiara-miombona antoka eo amin’ny sehatry ny firenena, eto amin’ny faritra manodidina, na iraisan’ny afrikana eny maneran-tany aza. Ankehitriny, tsy mianona intsony amin’ny resaka fifidianana ny asa ataon’ity Ivotoerana ity. Nitatra amin’ny sehatra hafa mikasika ny demokrasia sy ny fitantanam-panjakana toy ny fampandrosoana ny antoko politika, ny fitantanana ny fifanolanana, fanampiana ireo Antenimiera roa tonta, ny Rafitrasa Afrikana momba ny Fanombanana ataon’ny mitovy Sehatrasa (MAEP na Mécanisme Africain d’Evaluation par les Pairs), ary ny fitantanam-panjakana eny ifotony sy ny fitsinjaram-pahefana izany sahanasany izany. Ambonin’izany, EISA dia miara-miasa akaiky amin’ireo Vondrom-paritra ara-toekarena (SADC, CEEAC, CEA) sy ny Vondrona Afrikana. Ankoatra an’i Afrika Atsinanana izay ahitana azy ao Johannesburg (Afrika Atsimo), Antananarivo (Madagasikara), Maputo (Mozambique), Harare (Zimbabwe) ary Kinshasa (RDC), dia nosokafan’ny EISA ihany koa ny biraom-pirenena ao Luanda (Angola), Bujumbura (Burundi), Abidjan (Côte d’ivoire), Nairobi (Kenya), Khartoum (Soudan), N’Djamena (Tchad) ary Caire (Egypte).

Hatramin’ny taona 2007 no teto Madagasikara ny EISA, ary mitondra fanampiana ho fampivoarana ny vehivavy sy ho fampandraisana anjara azy ireo amin’ny sehatry ny fanapahan-kevitra. Nitatra ny sahanasan’ity Ivotoerana ity teto amin’ny nosy nanomboka tamin’ny taona 2011 tamin’ny alalan’ny fandaharanasa fanohanana ny zotram-pifidianana sy ny fanamafisana orina ny fitantanam-panjakana demokratika.

EISA - MadagascarLot II F 226 L Antaninandro

Antananarivo (101)T +261 202 22 665 98