11
NY HAY VAROTRA SOKAJY 2

Hai-varotra 2

  • Upload
    airtel

  • View
    310

  • Download
    3

Embed Size (px)

Citation preview

NY HAY VAROTRA SOKAJY 2

LESONA 1 : MANDROSO NY VAROTRO

Mety tsara kosa ny tsena Rasoa a !

Aiza moa ny hoe mety fa mba mampihatra ny

fihofanana hay varotra azo dia mahita rirany kely

e !

Fa ahoana koa izany ?

Miezaka ny mandresy lahatra hono rehefa

mivarotra mba ahahomby kokoa !

Nanatsara ireo fomba fiasako hatrany aho

Andeha hivoatra amin’izay ary e !

Manàna fo tony rehefa

miatrika ny mpanjifa

Ohatry ny tery daholo koa izay homenao ahy !

Afaka soloiko foana mandra-pahitanao izay atonina anao

ka !

Mijanonà amin’ny maha

ianao anao

Fantaro izay tena

tadiavin’ny mpanjifa

Fadio ny manao zavatra hafa rehefa mandray

olona

Aiza izay mpivarotra ô !

Tonga dia jereo ao izay mety aminao e !

Fantaro ireo toetoetr’ireo

entana arantinao

Tantely avy aiza izy ireto ramose ?

Mety ho avy eto afovoan-tany ihany

angamba !

Avelao ny mpanjifa haneo ny heviny

Sola no mety amin’io amin’izao hafanana izao , sady izay no

lamaody !

Aloe tapahina fohy ramose a !

Mizara mampiasa voambolana

tsotra nefa mazava

Tapahina ho fohy sa hofaranana fotsiny ?

Atoroy izay mety ho tombo-

tson’ny mpanjifa amin’ny

fividianana ny entanao

Manaja tsara anao io madama !

Sady mety koa ion a hoentinao miasa na

mivavaka !

Mizara miasa ao anaty fahadiovana

Voaharo amin’ny lalitra sy ny vovoka ireo

ramose a !

Raha ny itan’ny masoko aloha dia mahatoky

anao aho !

- Ny fanajanao ireo toromarika ireo dia manamafy ny fifampitokisana eo aminao mpivarotra sy ireo mpanjifa kendrenao hosintonina sy hotanana. - Mampandroso sy mampivelatra ny asanao izany ka miteraka loharanom-bola maharitra ho anao. - Aza adino ihany koa fa tsy maintsy tohananao ara-kevitra ireo vao tafapetraka. Izany hoe ambarao amin’ire mpanjifa izay tena tombo-tsoa mivaingana mety ho azon’izy ireo raha mampiasa ny entanao izy ireo.

Fadio ny mampiasa voambolana fandrarana

Ity tanana be kitikitika e !

Masiaka koa izany raha olona !

Fadio ny manaratsy ireo mpifaninana aminao

Ato Ramose f’inona no atao any a ! Tsy alehany ra I

Rakoto e !

LESONA 2 : MIROBOROBO NY VAROTRO

Havao tsara ny masokarenanao sy

ny tombony !

Farito ihany koa ireo fandaniana raikitra sy

ireo miovaova !

Afapo ny mpividy, izao ihany koa mahazo tombony !

Atoroy ahy hoe ny nataonao ?

Akora ampiasaiko ?

Fandaniana miovaova !

Ny karama raisiko ?

Fandaniana raikitra !

Saran’ny fitanterana ?

Ny hofan-tsena ?

- Ny masokarena dia mitsinjara ho : saran’ny famokarana sy saran’ny

fitsinjarana.

- Mizara ho fandaniana avy indray ireo : fandaniana raikitra sy

fandaniana miovaova.

Raikitra : tsy miova mihintsy na firy na firy entana vokarina.

Miovaova : miakatra na midina miankina amin’ny entana izay

vokarina.

Ireo no trandrahana ahazoana masokarena

voafaritra mazava !

Ny tombony indray dia kajianao avy amin’io

masokarenanao io ihany Aoka anefa tsy ho adinoina :

- Ny mijery ny vidin’entana eo amin’ny tsena

- Ny mitrandraka izay vidiny zakan’ireo mpanjifa

Ka mampifanojo ireo amin’ilay masokarena nokajianao.

Ary ny tombony ?

LESONA 3 : HIVELATRA NY TSENAKO !

Hafa ihany ny mofo namboarin-

dRamatoa Rasoa marina a !

Mahatamana !

Ny fanajana ny hetahetan’ireo mpanjifa no nampivoatra ny kalitaon’entana vokarin’i Rasoa. Ohatra : akora tsara fantina, ny fahaiza-manaony, ny fananany entana maro azo hisafidianana, …

Nampiatra ilay natoron-dRasoa ahy aho ka jereo ireto vokany !

Ny fampiarana ireo teknika notovoizina tamin’ny hay varotra no nampivelarako ny asako

ary nahazoako ireto.

Fantaro ireo toetoetr’ireo

entana arantinao

Miavaka kosa aloha ny tantelinareo noho ireo mari-

pamantarana ita eo amin’ny tavohanginy e !

Manampy be dia be izy io madama. Io no antsoina hoe etikety

Ny etikety - Ny sary famantarana - Ny marik’ilay entana - Ny anaran’ilay entana - Ny fomba fampiasana azy - Ny mombamomba ilay entana - Ny fomba fitehirizana ilay entana na ny

fomba fikojakojana azy - Ny fihaviany

Ny bika aman’endrika koa mangony fotsiny !

Ny endrka amam-bika - Ny loko ampiasaina (loko mafana,

manaja, …) - Ny taratra ara-kolotsain’ilay entana

(voninkazo, trano, tendrom-bohitra, …) - Ny azo ampiasana azy - Ny fampivdiana akora - Ny fomba famonosana ilay entana

Fantaro ireo toetoetr’ireo

entana arantinao

Entina hiarovana anreo mpanjifa io !

Entina hampiavahana anay amin’ireo

mpifaninana eto amin’ny tsena

ihany koa !

Manamora ny fitadiavanareo

izay entana sahaza ho

anareo koa e !

Kajio ho toerana : - Mazava - Voaharo amin’ny loto samihafa - Talaky maso - Mifanaraka amin’ireo

karazan’entana hamidinao - Mifanandrify amin’ny toetoetr’ireo

mpanjifa nohatoninao

Mikasika ny fomba fampiratiana indray : - Avelao ho hita taratra ny fomba azo

ampiasan’ireo mpividy ireo entana - Talaky maso - Mifanandrify amin’ny fampiasana ireo

entana - Halahatra mirindra araka ny

fampiasana ireo - Mampiadia loko - Mampiasa fanoroana karazan’entana

Ny toeram-pampiratiana ihany koa dia manna-danja lehibe eo

imason’ireo mpanjifa !

Fa ny fomba fampiratiana ireo ihany koa !

LESONA 4 : MAMPIAVAKA AHY KOA NY FANOMEZANA ROSIA !

Mizara manome rosia ho : - Fiarovana anao io amin’izay mety ho

fitakiana miaro ambadika ratsy ataon’ny mpanjifa

- Fiarovana ny mpanjifa ihany koa izy io

- Fanamarinana ny fampidiram-bolanao ihany koa io

- Fanamorana ny fanarahanao ny fivoaran’ny varotra izay ataonao

Ity ary toromarika tsotra omeko ho anao !

(1) Daty (2) Laharan’ny rosia (3) Anaran’ny mpivarotra (4) Toerana misy ilay fivarotana (5) Entana (6) Isany (7) Vidin’ny singa (8) Totalin’ny vola izay halohan’ny mpanjifa (9) Sonia

Aloe omeko rosia ianao ramose a !

Mofo gasy koa ve dia hanaovanao

izany ?