View
0
Download
0
Category
Preview:
Citation preview
Page 1 sur 22
PATRONAGE - CLIENTAGE SY NY II KOR 8-9
FAMPIDIRANA
Plan
I) NY RAFITRA “PATRONAGE–CLIENTAGE” TEO AMIN’NY
TONTOLO GRIKA-ROMANA
1.1) Ny “Patrons” sy ny Andraikiny Tamin’ny “Cients”
1.2) “Clients” sy ny Andraikiny Tamin’ny “Patrons”
1.3) Ny Relation “Vertical-Horizontal” teo amin’ny Rafitra
“Patronage-Clientage”
II) NY RAFITRA “PATRONAGE–CLIENTAGE” SY NY SORATRY
NY TESTAMENTA VAOVAO
2.1) Fanitsian’ny TV ny Rafitra Sosialy misy eto
amin’izao Tontolo izao
2.2) Ny Rafitra Sosialy Vaovao tian’Andriamanitra
Hapetraka araka ny TV
III) NY RAFITRA “PATRONAGE-CLIENTAGE” SY NY II KOR 8-9
3.1) NY KONTEKSTAN’NY II KOR 8 SY 9
3.3) NY RAFITRA “PATRONAGE-CLIENTAGE” SY NY II KOR 8-9
3.3.1) Ny voambolana “Patronage-Clientage”: “χαρις” sy
“πιστις” eto amin’ny II Kor 8-9
3.3.2) Andriamanitra/Jesosy amin’ny maha-Patron Azy
3.3.3) Ny Toeran’i Paoly sy Titosy eto amin’ny II Kor 8-9:
“Patron” sa “Broker” sa “Client”
3.3.4) Ny Kristiana amin’ny maha-“Client”-
n’Andriamanitra azy
CONCLUSION
BIBLIOGRAFIA
SABOTSY Francisco SALT 14L
Page 2 sur 22
FAMPIDIRANA
Fomba fiteny ny hoe : “ny olombelona dia natao hiara-monina” (l’homme est un etre
social). Ary izany dia anisan’ny zavatra izay mampiavaka azy amin’ny biby. Ao anatin’izany
fiaraha-monina izany anefa, dia misy tsy fitovian-jo noho ny antony tsy fitovian’ny fari-
piainana: misy ny manan-karena, ny mahantra ary ny tena fadiranovana eo amin’ny fiainana.
Ny fiainana anefa hifampitsimbinana sy hifanampiana, ka noho izany dia mifanatona ny
olombelona. Ny mahantra manatona ny manan-karena mba hitady fanohanana amin’ny fiainana
ny amin’izay rehetra ilaina ho fivelomanana, ny manan-karena indray mitady ny mahantra sy
izay tsy ampy fivelomana mba mba ahazoana voninahitra sy laza hoan’ny tena manokana.
Tsy izao ankehitriny izao ihany no ahitana izany, fa efa hatramin’ny fahiny dia toy
izany hatrany ny fiainana izay niainan’ny olombelona. Vanom-potoana sanganina manokana
eto ny vanom-potoana Grika-Romana, izay nisian’ny rafi-piaraha-monina natao hoe:
“Patronage-Clientage”. Tamin’izany rafitra izany no nahitana olona iray izay nanan-karena ka
nanmpy sy nanohana olona iray mahantra ara-pivelomana, ary nitady laza sy fankasitrahana
avy tamin’ilay olona izay notohanany kosa setry ny nanampiany azy. Karazana fifampihilana
noho ny fiheverana ny tombontsoan’ny tena manokana izany, na teo amin’ny ankilany na koa
teo amin’ny andaniny.
Raha atao ny fanadihadihana an’izany indrindra fa amin’izao andron’ny Kristianisma
izao, sy ny fampitahana azy amin’izay voalazan’ny Soratra Masina, dia hita tokoa ny
fifanoherany. Raha lazaina tsotra dia ravan’ny Soratra Masina izany rafi-piaraha-monina izany.
na dia eo aza anefa izany, ny fanontaniana mipetraka dia ny fomba hanazavana ny Tekstan’ny
Soratra Masina raha tarafina amin’ny rafitra “Patronage-Clientage” Grika-Romana.
Amin’ny famelabelan-kevitra fohy izay atao eto, dia ny II Kor 8-9 no teksta izay andeha
hohazaviana amin’ny alalan’ny fomba fijery Patronage. Ny fanontaniana izay ho vahana eto
dia ny hoe: “Ahoana ny hanazavana ny II Kor 8-9 amin’ny fomba fijery (solomaso) Patronage-
Clientage”?
Amin’ny famahana izay olana izay dia izao manaraka izao no drafitra arahina: ho jerena
voalohany ny ankapobeny momba ity “System Patronage” ity; faharoa dia System Patronage-
Clientage sy ny Soratry ny Testamenta Vaovao manotolo; ary ny fizarana fahatelo farany dia
ny rafitra Patronage-Clientage sy ny II Kor 8-9.
Page 3 sur 22
I) PATRONAGE - CLIENTAGE SY NY II KOR 8-9
NY SYSTEM PATRONAGE – CLIENTAGE TEO AMIN’NY
TONTOLO GRIKA-ROMANA
Teo amin’ny rafi-piaraha-monina Grika-Romana fahiny dia nisy ny system nantsoina
hoe: “Patronage – Clientage”, izay nahitana taratra ny tsy fitovian-jo teo amin’ny samy
olombelona, indrindra fa ny mpitondra sy ny vahoaka, ny manan-karena sy ny mahantra ary ny
koa ny tompo sy ny andevo. Araka izay voalazan’ity mpanoratra anakiray dia samy nanana ny
toerany manokana teo amin’ny fiaraha-monina izy ireo, na teo amin’ny sehatra ara-toekarena
na koa teo amin’ny sehatra ara-tsoasialy.1 Ireo izay natsoina hoe: “Patron” dia tsy hafa fa ireo
izay nanan-katao teo amin’ny fiaraha-minina, niatomboka teo amin’ny ny mpitondra Fanjakana
izany (toy ny Kaisara sy ireo solontenany any faritra samihafa). Tao koa anefa ireo olona izay
nanan-katao tany amin’ny fiaraha-monina nisy azy avy ka nanana olona niasa tao aminy, izay
nikarama “vary masaka”.
Ny lafiny ara-toekarena dia teo am-pelatanan’ireo olom-bitsy izay nanan-katao teo
anivon’ny fiaraha-monina ireo. Ary vokatr’izany dia izy ireo ihany koa no nanjaka teo amin’ny
lafiny ara-tsoasialy.2 Ny olona rehetra teo amin’ny fiaraha-monina mantsy dia samy teo ambany
fahefany avokoa, afa-tsy ireo olona sasany teo amin’ny saranga anivo (Middle class), izay
nanana asa mahaleo-tena ka tsy voatery niankina tamin’ny hafa.3 Azo lazaina fa ireo Patron
ireo no foiben’ny fiainana teo amin’ny ara-tsosialy. Izany hoe: izy ireny no niankinan’ny
fiainana andavan’andron’ny olona tamin’izany fotoana izany. Ny vahoaka ankapobeny mantsy
dia tsy mba afaka nanao zavatra ho azy samy irery, fa tsy maintsy niankina mandrakariva
tamin’izy ireny. Nisy tamin’ireny Patron ireny dia nahatoky (πιστος) tamin’ny “Clients”-ny, ka
nanao araka izay nifanarahany taminy. Ohatra amin’izany ny fikarakarakana eo amin’ny
fiainana andavan’andro sy ny fanomezana karama vary masaka ary izay rehetra nilaina eo
amin’ny fiainana.4
Setrin’izany anefa dia tao ireo nantsoina hoe: “Clients, izay tsy hafa fa ireo vahoaka
madinika (andevo) izay niankina tamin’ny “elite” iray. Na dia izany aza anefa, dia azo lazaina
1 George H. Guthrie, The Socioeconomic Background of the New Testament, (Printed in USA 2010), 7 2 Richard A Horsley, Paul and Empire : Religion and Power in Roman Imperial and Society (Harrisburg Pennsylvania, 1997), 89 3 Azo heverina anefa na dia ireo tao saranga anivo ireo aza dia samy nanana « Clients » tao an-tranony avokoa, ampit. Amin’izay voalazan’I George H. Guthrie ihany. 4 Tore Laugerud, Ny Tontolon’ny Testamenta Vaovao (STL Ivory Fianarantsoa 1987), 153
Page 4 sur 22
ho nisandrahaka be ihany izany, amin’ny lafiny anakiray mantsy dia hilazana ny vahoaka
manotolo teo ambany fitondran’ny Emperora ny hoe: “Clients”; ary amin’izany fotoan’izany
dia ny Emperora no ilay Patron tokana. Ankoatr’izany dia nantsoina patron ihany koa ireo
solontenany any amin’ny faritra samihafa, ary ny vahoaka any amin’ny faritra iadidiany avy no
clients-ny. Tsy izany ihany fa ny olona rehetra nanan-katao tany amin’ny fiaraha-monina
tsirairay nisy azy tany, ka afaka nampiasa olona mba hampitombo ny hareny sy ny lazany ary
ny fahefany, dia natsoina patron avokoa, ka ny clients indray dia ireo olona izay nampiasainy.5
Izany raha jerena ankapobeny ny rafitra “Patronage-Clientage” teo amin’ny tontolo Grika-
Romana fahiny. Fa ho jerena bebe kokoa izao manaraka izao ny Patron sy ny andraikiny
tamin’ny Clients sy ny an’ity farany tamin’ny Patrony.
1.1) NY “PATRONS” SY NY ANDRAIKINY TAMIN’NY “CLIENTS”
Efa hita tery ambony ny famaritana ankapobeny ireo izay natsoina hoe: “Patron” teo
amin’ny tontolo Helenista-Romana. Ny hojerena eto indray dia ny andraikitra izay
nosahanin’izy ireo tamin’ireo izay nantsoina hoe “Clients”. Tsara ho marihina aloha fa samy
nitaky andraikitra na ny maha-“patron” na koa ny maha-“clients” teo amin’ny rafitra
“Patronage-Clientage” tamin’ny vanom-potoanan’ny Grika-Romana. Raha ny Patron
manokana aloha no resahina dia tena nanana andraikitra tokoa tamin’ny fikarakarakana ny
fiainan’ireo izay natsoina hoe: Clients izy ireo. Marihina fa tafiditra ao anatin’izany avokoa
izay Patron rehetra. Raha ny Kaisara ohatra no nolazaina fa Patron-n’ny olona rehetra
tamin’izany fotoana izany, dia nanana andraikitra manokana izy teo amin’ny fikarakarana ny
fiainan’ny vahoaka rehetra teo ambany fitondrany. Tena hita taratra tokoa izany tamin’ny
andron’i Aogosto Kaisara, ka nampisy ny “PAX ROMANA” izay nahafahan’ny olona rehetra
eran’ny Fanjakana niaina am-pilaminana.6
Tsy teo amin’ny Kaisara sy ny mpitondra Fanjakana ihany anefa no nahitana izany
fiahiana ny fiainan’ny Clients izany, fa tamin’ireo Patrons rehetra tany amin’ny fiaraha-monina
tsirairay tany ihany koa. Tonga voambolana fototra sady fanalahidy izay nilazana ny
fifamatoram-pifandraisana teo amin’izy ireo (ny Patron sy ny Clients) ny hoe: “πιστις” sy ny
5 Rafalimanana Jean de Dieu, Ny Soratry ny Testamenta Vaovao sy ny Fifandraisany amin’ny Tontolo ara-Koltoraly sy ara-Piarahaman’ny Fiangonana Kristiana Voalohany (SALT Ivory Fianarantsoa, 2002), 11 6 J. Gresham Machen, The New Testament, An Introduction to Its Literature and History (Ed. By W. John Cook, Printed in Great Britain by R. MacLoshe, January 1976), 21
Page 5 sur 22
“χαρις”.7 Raha nampiasaina teo amin’ny patron ny hoe: “πιστις” dia nilazana ny fahatokiany
tamin’ny teny izay nataony tamin’ireo clients-ny sy ny tsy-fivadihany tamin’izany teny izany.
Marihina fa izany voambolana izany dia nentina ihany koa nilazana ny fahatokian’ilay clients
an’ilay patron fa tena hanatanteraka ilay teny izay efa nampanantenainy izy. Ankoatr’izany,
vokatry ny tombontsoa izay efa azon’ilay clients tamin’ny patron, dia maneho fahatokiana
(πιστις=loyalty) amin’ilay patron izy ka manolo-tena tanteraka eo ambany fiahiany.8
Araka ny efa voalaza tery aloha, dia anisan’ny voambolana iray izay fanalahidy ihany
koa teo amin’ity resaka “Patronage-Clientage” ity dia ny hoe: “χαρις”. Sahala tamin’ny “πιστις”
teo ihany, dia nampiasaina tamin’ny patron no nampiasaina ihany koa tamin’ny clients izany
voambolana izany. Raha teo amin’ny patron manokana dia nentina nilazana ny fanomezana sy
ny tombontsoa izany nomena ny clients izy.9 Tsy teo amin’ny fotoana izay mbola niasan’ilay
client tao amin’ilay patron loatra no tiana ho lazaina amin’izany, raha izany mantsy dia nandray
izay vokatry ny asany izy (reciprocity). Fa tamin’ny fotoana izay nisehoan’ny fanomezana sy
fiantran’ilay patron, ka tsy niankina tamin’ny asan’ny client loatra fa tamin’ny fihetseham-po
miantra izay nananan’ny patron kosa. Raha teo amin’ny fifandraisan’ny tompo sy ny andevo
ohatra no resahina, dia fomba fanao tamin’izany fotoana izany ny manafaka andevo, ka rehefa
ahafahana izy dia tolorana fanomezana sy fankasitrahana ivelan’ny karama tokony ho azy.10
Azo heverina fa dia tsy nitovy tanteraka aza ny client sy ny andevo, dia hita taratra teo amin’ny
fifandraisan’ny patron sy ny client ihany koa izany fihetsika izany, izay nantsoina hoe: “χαρις”.
1.2) NY “CLIENTS” SY NY ANDRAIKINY TAMIN’NY “PATRON”
Araka izay efa voalaza tery ambony, dia samy nitaky andraikitra na ny maha-patron
na koa ny maha-client. Alohan’ny hijerena ny andraikitry ny client iray tamin’ny patron anefa,
dia tsara raha jerena fohy ny tantara izay nahatonga ny olona iray ho lasa client-na patron iray.
Marihina aloha fa tsy mba nitovy tamin’ny andevo ny client tamin’izany fotoana izany. Ny
andevo mantsy dia azo novidina sy azo namidy ihany koa, fa ny maha-client dia vokatry ny
fifanarahana amin’ny patron sy ny client.11 Ankoatr’izany dia azo heverina ihany koa fa na dia
ny client iray aza dia nanana andevo izay niasa tao aminy. Setr’izany anefa dia nisy andevo
7 Dictionary of the New Testament background, S.V: Porter, S. E., & Evans, C. A. (2000). “Patronage”. 8 Ibid. 9 Ibid. 10 A.C. Bouquet, Everyday Life in New Testament Times (Printed in United State of America, 1953), 152 11 Dictionary of the New Testament Background, s.v: “Slavery”
Page 6 sur 22
afaka izay avara-pianarana sy tonga nanan-karena ka nanana client niasa tao aminy. Izy ireo dia
olona nanam-pahaizana fa resin’ny Romana ny taniny dia nalainy ho babo izy ka namidiny.12
Raha ny antony nahatonga ny olona iray ho lasa client indray no lazaina, dia tsara
raha ny fomba fitondrana Repoblika teo amin’ny Fanjakana Romana fahiny no iaingana.
Tamin’izany fotoana izany dia nandray anjara mivantana tamin’ny raharaham-panjakana ny
vahoaka (Démocratie décentralisé).13 Tamin’izany no nahitana olona sasany izay nanohana
kandinda iray rehefa nisy ny fifidianana, ilay kandinda izay notohanana kosa dia nanolotra
fanomezana na fiahiana hoan’ireo olona izay nanohana azy.14 Izany no azo heverina ho
konteksta nisehoan’ity rafitra “Patronge-Clientage” ity tamin’ny voalohany. Tsiahivina mantsy
fa na dia foana aza ny fomba fitondrana demokratika taty aoriana tamin’ny nisehoan’ny Empire
naorin’i Auguste, izay tsy nahafahan’ny vahoaka niteny intsony momba ny fitondram-
panjakana; dia tsy mba foana niaraka tamin’izany kosa ity rafitra ity, fa nifandovana hatrany,
ary tonga rafitra nanan-kery teo amin’ny fiaraha-monina mihitsy. Ny anton’izany dia noho ny
fitomboan’ny olona sahirana, izay nitady olona afaka hanampy teo amin’ny fiainana.15
Setr’izany fanampiana amin’ny fiainana izany anefa, dia nisy ny zavatra na asa izay
nataon’ilay clients tamin’ny patrons. Efa hitantsika tery ambony ny voambolana hoe: “πιστις”,
ary araka ny voalaza, raha teo amin’ny client no nampiasana azy, dia nilazana ny toetra
mahatoky izay nananany teo amin’ny fifanarahany tamin’ny patrony. Tsy izany ihany fa
nilazana ihany koa ny fatokiany an’ilay patron tamin’ny fampanantenana izay nataony hiahy
sy hanohana azy izy. Ankoatr’izany dia teo ihany koa ilay voambolana anakiray hoe: “χαρις”,
raha teo amin’ny clients no nampiasana azy, dia nilazana ny fankasitrahana sy haja na laza
(gratitude, honor, respect) nomena ilay patron noho ny tombontsoa sy fiantrana sy firovana ary
fanampiana (favor, help, reward) izay nomeny ireo clients. Marihina fa tena zavatra
notadiavin’ny olona mihitsy (Desideratum) ny fankasitrahana sy haja tamin’izany fotoana
izany. Ary ilay client dia nampiely lazan’ny patrony eran’ny fiaraha-monina rehetra eny.16
12 Dictionary of the later New Testament and its developments, s.v: “Slavery”
13 Dictionary of the New Testament Background, s.v: “Roman Political System”
14 Bell, A. A. Exploring the New Testament world (Nashville, T. Nelson Publisher, 1998), 185
15 Ibid. 16 Dictionary of the New Testament Background, s.v: “Patronage”
Page 7 sur 22
1.3) NY RELATION “VERTICAL-HORIZONTAL” TEO AMIN’NY RAFITRA
“PATRONAGE-CLIENTAGE”
Ankoatr’izay rehetra voalaza tery ambony momba ny rafitra “patronage-clientage” teo
amin’ny Greco-Romana fahiny izay, dia tokony ho resahana ihany koa ny “relation vertical-
horizontal” teo amin’izany rafitra izany. Izay tiana ho lazaina amin’izany dia ny
fifandraisan’ny olona izay tsy mitovy saranga (vertical: ny patron sy ny client ohatra) sy ny
olona izay mitovy saranga teo amin’ny fiaraha-monina (horizontal: ny samy patron na koa
ny samy clients).
Efa hitantsika tamin’ny ankapobeny teo aloha ihany ny “relation vertical”, dia ny
fifandraisan’ny patrons sy ny clients. Ny patrons izay manome fiantrana, fitsimbinana,
fiarovana (favor, protection) ary ilay clients manome fankasitrahana, haja, voninahitra
(gratitude, honor). Izany no fehezina amin’ny voambolana iray hoe: “χαρις”, izay sady
nampiasaina tamin’ny patron no nampiasaina ihany koa tamin’ny clients. Ankotr’izany dia tao
koa ny “πιστις”, dia ny fahatokian’ny roa tonta (faithfulness) tamin’ny fifanarahana izay natao;
tao koa ny fatokian’ilay clients (trust) ny patron tamin’ny teny fampanantenana nataony. Ireo
teny roa dia tena azo lazaina fa nampifamatotra “relation vertical” teo amin’ny patron sy clients.
Mbola teo amin’izany fifandraisan’ny patron sy ny client izany ihany, dia nisy ny
natsoina hie: “Mediator” na “Broker” (mpanelanelana). Ny asany dia ny manelanelana ny
patrons sy ny clients. Matetika ny clients dia raiki-trosa (indebted) hatrany amin’ny patron,
amin’izay fotoana izay dia ny “Broker” no miditra an-tsehatra amin’ny fitakiana ireny trosa
ireny any amin’ny clients.17 Indraindray koa dia misahana andraikitra mampihavana ny Broker,
na izany eo amin’ny patron sy ilay client, na koa eo amin’ny samy clients.18 Azo heverina ihany
koa, fa nisahana asa fampahatsiahivana ny roa tonta (ny patron sy ny client) tamin’ny
fifanekena nifaovana ny Broker, indrindra ny fananarana ny clients mba ho mahatoky ary
hifanohana sy hifanampy eo amin’ny fiainana.19
17 Dictionary of the New Testament Background, s.v: “Patronage” 18 Ibid. 19 Azo raisina ho ohatra amin’izany ny Paoly tenany. Eo anatrehan’Ilay Andriamanitra Patron mantsy dia miseho ho “Broker” izy ka mananatra ny Kristiana (clients) eran’ny Epistiliny.
Page 8 sur 22
Raha ny fifandraisan’ny olona mitovy saranga (horizontal) kosa no resahina, dia azo
heverina fa nisy izany na teo amin’ny samy patrons na koa teo amin’ny samy clients. Ao
amin’ny Testamenta Vaovao dia hita sy lazaina matetika ny fifandraisan’ny samy mpitondra
(Political Friendship), ohatra I Agripa sy Festosy (araka ny Asa 25:13) sy Heroda Antipasy sy
Pilato (arak any Lioka 23:12). Tsy azo heverina ho voafetra teo amin’ny samy mpitondra ihany
anefa ny fifandraisan’ny olona nitovy saranga tamin’izany fotoana izany, fa teo amin’ny olona
rehetra izay nitovitovy fari-piainana ihany koa. Ahitana ohatra vitsivitsy ny amin’izany ny ao
amin’ny Soratra Masina, ohatra Lioka sy Theofilo (Asa 1.1), Paoly sy Filemona (Filem 1).20
Marihina ihany koa fa tamin’izany fotoana izany dia nisy ireo fikambanana
(association) samihafa izay nampivondrona olona nitovitovy fari-piainana.21 Azo heverina fa
sehatra izay nahafahan’ny olona nifanerasera sy nifanampy izany fikambanana izany. Matetika
mantsy dia ireo olona amin’ny kilasy ambany sy ny andevo no tena narisika tamin’izany.22
Indraindray ny fikambanan’ireto farany, dia teo ambany fiahiana sy fanaraha-mason’ny patron
iray, ka amin’izay fotoana izay izy dia efa mambra rahateo amin’ilay fikambanana. Amin’ny
maha-patron azy anefa dia izy no mandidy, ary tsy maintsy manaraka izay rehetra teniny ny
mambra.23 Azo lazaina fa natanjaka tokoa izany fikambanana izany. Araka izany lazain’ny
mpandinika mantsy dia azo ambara ho nisolo ny toeran’ny fianakaviana mihitsy izany
tamin’izay fotoana izay.
Izany dia araka izay lazain’i Tore Laugerud hoe:
“Amin’ny ilany ary dia solon’ny fianakaviana amin’ny fiaraha-monina modern ny
Collegia. Niseho indrindra izany raha nisy fahafatesana, anjaran’ny collegia no
nitady fasana hametrahana ny fasan’ny mpikambana sy nikarakara ny zavatra
rehetra momba ny fandevenana…”.24
Raha ampitahaina amin’ny tontolo Kristiana izany dia hita mitovotovy amin’ny Fiangonana.
20 Rafalimanana Jean de Dieu, Ny Soratry ny Testamenta Vaovao sy ny Fifandraisany amin’ny Tontolo ara-Koltoraly sy ara-Piarahaman’ny Fiangonana Kristiana Voalohany, 11 21 Tore Laugerud, Ny Tontolon’ny Tetsmanta Vaovao (STL Ivory Fianarantsoa, 1987), 156 22 Dictionary of the New Testament Background, s.v: “Associations” 23 Ibid. 24 Tore Laugerud, Ny Tontolon’ny Tetsmanta Vaovao ,156
Page 9 sur 22
II) NY SYSTEM PATRONAGE–CLIENTAGE SY
NY SORATRY NY TV
2.1) FANITSIAN’NY TV NY RAFITRA SOSIALY NISY ETO AMIN’IZAO
TONTOLO IZAO
Efa hitantsika tery amin’ny toko voalohany ny ankapobeny momba ny rafitra
“Patronage-Clientage” teo amin’ny tontolo Greco-Roman, izao kosa dia hohazavaina ny
fijerin’ny Testamenta Vaovao manokana an’izany rafitra izany. Marihina aloha fa araka ny
fijerinay manokana dia samy tokony ho azo atao na ny mitondra ny rafitra “Patronage-
Clientage” aty amin’ny TV, ka amin’izay fotoana izay dia karazana solomaso handinihana ny
teksta izy; na ihany koa ny mitondra ny fampianaran’ny TV manotolo eo amin’ny rafitra
“Patronage-Clientage” Greco-Roman. Ny zavatra hita voalohany sy mazava raha ity farany no
atao, dia ny fandravan’ny Soratra Masina tanteraka ity rafi-piaraha-monina Grika-
Romana ity. Raha atao topimaso indray mijery mantsy ny fampianarana entin’ny TV, dia misy
zavatra telo lehibe izay hita mazava sy mibaribary, ireo avy izany:
1) Andriamanitra ny Ilay Patron Tokana
2) Jesosy no Ilay Mpanalalana Tokana (Mediator na Broker)
3) Mpirahalahy ny olombelona rehetra. Azo lazaina fa foibe sy hevitra fototra (Idée
central) izay mitondra ny famelabelaran’ny TV izy telo ireo, izay efa mandrava sahady ny
rafitra “Patronage-Clientage”.
Tsy lavina ny fisian’ny andinin-tSoratra Masina ao amin’ny TV izay milaza an’i Jesosy
ho Mpamonjy (Σωτερ), izay tsy mametraka Azy eo amin’ny toeran’ny Mpanalalana (Broker)
fotsiny, fa eo amin’ny toeran’ny Patron ihany koa. Tsiahivina mantsy fa ny Famonjena dia
mitaratra indrindra ny asan’ny Patron tamin’ny client-ny teo amin’ny rafitra “Patronage-
Clientage”. Ny Kaisara, izay Patron’izao tontolo izao tamin’izany dia nantsoina ho SOTER.25
Ambaran’izany fa raha milaza an’i Jesosy ho SOTER ny TV, dia te-hilaza Azy ho Ilay Patron
tokana, izay afaka mamonjy mihoatra lavitra noho izay vitan’ny Kaisara (ampitahao amin’ny
Lio 3.1-2). Ny Filazantsara irery ihany mantsy tamin’izany fotoana izany no afaka namaly ny
fanontaniana napetraky ny olona momba ny tena famonjena sy ny fiadanana.26 Tsy izay maha-
25 Dictionary of Paul and His Letters, USA 1993, s.v: “Savior” 26 Alfred Kuen, Introduction au Nouveau Testament : Les Lettres de Paul (Ed. Emmaüs : Saint Legier, 1989), 22
Page 10 sur 22
Patron an’i Jesosy izany ihany no hita taratra ao amin’ny TV, fa eo koa ny fipetrahan’ireo
mpitory Filazantsara ho Patron sy Broker (Paoly ohatra).27
Na dia eo aza anefa izany rehetra izany, dia tsy mandrava izay voalaza tery ambony, fa
izao kosa: tian’ny mpanoratry ny TV (na ireo Apostoly) ny hananan’ireo Kristiana toetra maha-
zanak’Andriamanitra amin’ny hisehoany ho mpananatra azy (broker), ary ny hananany
faherezany amin’ny maha-olon’Andriamanitra azy amin’ny hisehoany ho mpampahery azy.
Midika izany fa raha mananatra sy mampahery ary manohana (indrindra ny lafiny aram-
panahy) ny Kristiana ireo Apostoly, dia tsy manavaka ny tenany amin’ireo izy (toy ny
fanavahan’ireo Patron sy Broker ny tenany tamin’ny Clients teo amin’ny rafitra Patronage-
Clientage”), fa misy antony ara-pratika kosa izay tiany hajoro sy hiainan’ireo Kristiana. Azo
lazaina arak’izany fa ara-poto-kevitra dia nitazona ny fampianaran’i Jesosy momba ny maha-
mpirahalahy ny olona rehetra (ireo mpanara-dia Azy) Mation 23:8 ireo Apostoly, na dia teo
aza ny fisehoany ho patron sy broker indraindray.
Eo amin’ny fanitsian’ny TV ny rafi-piaraha-monina Grika-Romana, dia mametraka
voalohany indrindra ny maha-Patron an’ Andriamanitra izy.28 Marihina fa zavatra efa
nahazatra ny olona tamin’izany fotoana izany ny fiheverana ireo andriamanitra ho patron
(patron deities).29 Ny maha-Patron Andriamanitra kosa dia mifototra amin’ny maha-Ray
(πατερ) be fitiavana Azy, Izay manome malalaka ny olona rehetra izay ilaina isan’andro
(ampitahao amin’ny vavaka nampianarin’ny Tompo hoe: “Rainay Izay any an-danitra...”).
Izany maha-Ray Azy izany (The Fatherhood of God) indray araka an’i Donald Guthrie, dia hita
amin’ny fomba telo samihafa: Rain’i Jesosy Kristy Izy, Rain’ny olona rehetra izay manara-dia
an’i Jesosy Kristy Izy, ary Rain’izao voahary rehetra izao Izy.30 Anisan’ny tsindrian’i Ronald
Guthrie fa ireo izay manana an’i Jesosy ihany no manana an ’Andriamanitra ho Ray, satria
mifototra amin’ny asam-pamonjena izay nataony tamin’ny alalan’i Jesosy izany hoy izy.31.
Ankoatr’izany dia Rain’izao voahary rehetra izao ihany Andriamanitra, satria tsy hoe:
namorona fotsiny Izy, fa mbola eo am-perin’asa hatrany eo amin’ny fikarakarana azy ihany
koa.32
27 Dictionary of Paul and His Letters, s.v: “Paul as Parent” 28 Dictionary of the New Testament Background, s.v: “Patronage” 29 Ibid. 30 Donald Guthrie, New Testament Theology (Box F. Downer Grove, Illinois 60515 USA, 1981), 81 31 Ibid. 32 Ibid.,79
Page 11 sur 22
Amin’ny maha-Patron Azy koa, dia manolotra famonjena sy mikarakara ny
fiainan’ireo clients (ny Kristiana) Izy (χαρις). Mahatoky koa Izy (πιστις) ka tsy mivadika
amin’ny teny izay efa nataony (Deo 7:9; IKor 1.9; IIKor 1:18; IPet 1:19; Apok 3:14). Azo
lazaina ho miavaka amin’ny patron’izao tontolo izao anefa Izy, tsy amin’izay mahatoky mantsy
no tena hanehoany ny fahasoavany, fa amin’izay tsy mahatoky kosa (απιστις) (Mat 9:13; Rom
4:5; IKor 1:26). Midika izany fa tsy miankina amin’ny fahatokian’ny olona (πιστις) no
hanaovany asa soa sy fanomezana (tahaka izay nisy teo amin’ny Patronage-clientage), fa noho
ny fitiavany sy ny famindram-pony kosa (χαρις). Na dia izany aza anefa, ireo izay tolorana soa
sy famonjena dia manolotra fisaorana sy fankasitrahana (χαρις).33
Eo anatrehan’izany maha-Patron an ‘Andriamanitra izany, dia tsy mipetraka intsony
ny maha-patron sy clients eo anivon’ireo zanany (na dia mbola mipetraka ho izany ihany aza
indraindray ireo mpitory Filazantsara noho ny antony voalazantsika tery ambony). Mipetraka
ary ny fanontaniana hoe: Inona no rafitra izay tian’Andriamanitra hiainan’ny Kristiana?
2.2) RAFITRA SOSIALY VAOVAO TIAN’ANDRIAMANITRA HAPETRAKA
ARAKA NY TV
Hita ao amin’ny TV ny rafi-piaraha-monina izay tian’Andriamanitra hapetraka sy
hiainan’ireo zanany, setrin’ny “Patronage-Clientage” teo amin’ny Grika-Romana. Tsy hafa
izany fa ny maha-mpirahalahy ny olona rehetra ao amin’i Kristy (Brotherhood of aaall
the believers in Christ) (Mat 23:8; Jao 1ao 13:34-35; Asa 2:42; Rom 12:5; Gal 3:28).34 Tsara
tsindriana fa ity rafi-piaraha-monina anjakan’ny firahalahiana ity dia mandrava tanteraka ny
rafitra “Patronage-Clientage”. Eo anatrehan’Ilay Andriamanitra Patron mantsy dia zanaka
(=mitovy) (clients) avokoa ny olona rehetra (II Kor 8:14).35 Tsy midika anefa izany fa tsy misy
eo amin’ny fiaraha-monina intsony ny olona iray izay mipetraka na miasa amin’ny olona iray
ka miandrandra fanampiana avy aminy eo amin’ny fiainana (toy ny mpanompo sy tompo).
Tsiahivina mantsy fa raha ny Epistilin’i Paoly no jerena, dia hita taratra amin’ireo teny
fananarana momba ny tompo sy ny andevo, fa nisy tokoa ireo olona sarangan’olona ireo
tamin’ireo Fiangonana izay nanoratany (IKor 7:20-22; Kol 3:22-4:1; Fileomona).36
33 Exegetical Dictionary of the New Testament (Mich.: Eerdmans, 1990-c1993), s.v: “χαριν” 34 Philippe H. Menoud, La Vie de l’Eglise Naissante (Declancheaux et Niestlé, 1952), 10 35 Cf : Galatiana 3 :28 hoe : « Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy ; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin’i Kristy Jesosy » (BPM) 36 Dictionary of Paul and His Letters, s.v: “Slave, Slavery”
Page 12 sur 22
Ambaran’izany fa tsy resaka tsy fisiana na fisian’ny patrons sy clients (na koa andevo
sy tompo) no resaka eto, azo heverina mantsy fa nisy ihany izany na dia tao am-piangonana
aza; fa izay tiana ho resahana dia ny fifampitondrana, izany hoe: ny patrons sy clients (na
ny tompo sy ny andevo) izay samy Kristiana dia tokony hifampitondra toy ny
mpirahalahy.37 Ankoatry ny fananaran’i Paoly ireo clients (na andevo) hipetraka tsara amin’ny
toerany (situation=ny maha-client na maha-andevo azy) (IKor 7:20), dia anariny ihany koa izy
ireo mba hanompo ny tompony amin’ny fo (fa tsy amin’ny fomba ivelany) toy ny fanompoany
an’i Jesosy Kristy ihany. Sahala amin’izany koa, ireo patrons (na tompo) Kristiana dia anariny
koa mba hihevitra ny clients-ny (na mpanompony) ho mitovy aminy ihany, satria samy eo
ambany fahefana sy fitondran’ny PATRON IRAY dia ANDRIAMANITRA.38
Inona indray no zavatra izay takian’izany rafitra sosialy vaovaon’Andriamanitra
izany? Izany fanontaniana izany no andeha ho valiana eto amin’ny tapany fahatelo, dia ny
RAFITRA PATRONAGE-CLIENTAGE SY NY II KOR 8-9.
37 Hendrickson, W., & Kistemaker, S. J., New Testament commentary: Exposition of Colossians and
Philemon (Grand Rapids: Baker Book House, 1964), 170
38Ibid.
Page 13 sur 22
III) NY II KOR 8-9 SY NY SYSTEM PATRONAGE
3.1) NY KONTEKSTAN’NY II KOR 8 SY 9
Raha lazaina amin’ny ankapobeny aloha izay voalaza ao amin’ity perikopa eto ity, dia
miresaka ny amin’ny famoriam-bola izay nataon’ny Fiangonana Helenistika hoan’ny
Fiangonana tany Jodia. Mipetraka avy hatrany ary ny fanontaniana ny amin’ny zava-nisy tany
Jodia tamin’izany fotoana izany, izay nahatonga ny Kristiana lasa nahantra, ka nanaovana izao
famoriam-bola izao. Marihina fa ao amin’ny TV dia misy ireo teksta mitovy (parallel)
amin’izay hita eto amin’ny II Kor 8-9, dia ny Asa 11:29-30; Rom 15:26; I Kor 16:1, izay
samy milaza ny famorim-bola izay nataon’ny Fiangonana Helenistika hoan’ny Kristiana tany
Jodia.
Raha kronolojia aloha no jerena, dia tamin’ny taona 46 A.D no nisy ilay mosary
(famine) eran’ny faritra antsinanana manotolo iny (izany dia araka ny faminanian’i Agabo ao
amin’ny Asa 11: 27-28).39 Azo heverina ho nisy fifandraisana amin’izany ve anefa ny
fangatahan’i Paoly ny Fiangonana Helenistika handefa fanampiana ho amin’ny Fiangonana
tany Jodia? Araka izay hita ery ambony, dia tsy eto amin’ity II Kor 8-9 ity ihany no toerana
ahitana ny famoriam-bola ataon’ny Fiangonana izay alefa ho any amin’ny rahalahy mahantra
tany Jodia, fa ahitana izany koa ireo teksta mitovy voalaza ery ambony. Raha dinihina ireo
teksta mitovy ireo, dia hita fa toa tian’i Paoly hangonina amin’ny fotoana iray ny vola eran’ny
Fiangonana rehetra, dia ho entina miaraka any Jerosalema. Araka ny II Kor 9:2 dia toa an-
taonany mihitsy no efa nanaovana ity famoriam-bola ity. Ary Paoly dia naniraka ireo mpiara
miasa taminy nanangona izany tany amin’ny Fiangonana samihafa (Titosy tany Korinto).
Ny fiakarany tany Jerosalema no nokendren’i Paoly hitondrana ny vola. Izany
fiakarany tany izany anefa dia tsy indray mandeha, fa tsy latsaka in-4 na in 5.40 1) Taorian’ny
fiovam-pony (Gal 1:18; Asa 9:26-28), 2) Ny famangiana izay nitondrana ny vola (Asa 11:29-
30; Gal 2:1-10), 3) Ny “Concile” Apostolika (49 AD) (Asa 15:6), 4) Taorian’ny Dia misionera
faharoa nataony (Asa 18:22), ary ny farany dia ny famangiany tany taorian’ny Dia misionera
fahatelo izay niafara fisamboran’ny Jiosy azy sy ny fiantsoany ho any Roma (Asa 21-25).41
39 Carol Stream IL: Christianity Today, Christian History: Paul and His Times (by Logos Research
Systems, 1996 electronic ed.)
40 Dictionary of Paul and His Letters, sv : “Jerusalem” 41 Ibid.
Page 14 sur 22
Araka ny hita eto dia ny Fiakarany faharoa ho any Jerosalema no nitondrany ny vola
hanampiana ny Fiangonan’ny Jodia. Raha izany dia tandrify tokoa fa ny mosary izay nisy tany
amin’iny faritra antsinanana iny tamin’izay fotoana izay no antony nampahantra ny Fiangonana
tany Jerosalema ka antony nanaovana izao famorim-bola izao.42 Ankoatr’izany dia azo raisina
ho antony nampahantra azy koa ny fiakaran’ny tahan’ny mpitondrantena tao am-piangonana
(Asa 6:1-7), ny fivahinianan’ireo ziok’olona izay nanavesatra ny fiaraha-monina, ny
fiombonam-pananana izay niainan’ny Fiangonana voalohany tany Jerosalema (Asa 4: 32).43
Ampoizina fa nampitombo nian-dalana ny fahantran’ny Fiangonana tany Jodia avokoa izany
rehetra izany, ankoatry ny hasarotam-piainana vokatry ny mosary.
3.2) NY RAFITRA “PATRONAGE-CLIENTAGE” SY
NY II KOR 8-9
3.3.1) NY VOAMBOLANA “PATRONAGE-
CLIENTAGE”: “χαρις” SY “πιστις” ETO AMIN’NY II Kor 8-9
Ny zavatra izay hita voalohany eto amin’ny II Kor 8-9, dia ireo voambolana
“Patronage-Clientage” toy ny hoe: χαρις sy ny πιστις. Miverina in-8 ny hoe: χαρις, ka ny 4
amin’izany fampiasana azy izany dia ny fampiasana azy amin’ny Patron, ka hilazana ny
fanomezana izay atolotra ny “Clients” (8:1, 10; 9:8, 14), na koa ny toe-po izay tia ny
“Clients” (8:10). Ao amin’ny 8:1, 10; 9:8, 14 dia Andriamanitra no Tompon’ilay χαρις,
ampiasaina miaraka amin’ny génitif mantsy izany ao amin’ny 8:1 sy 9:14 hoe: την χαριν του
θεου; ao amin’ny 9:8 indray, na dia tsy hita taratra mivantana aza ny hoe: χαριν του θεου, dia
azo lazaina fa mbola ny fahasoavan’Andriamanitra ihany no tiany hambara. Izay voasoratra eto
mantsy dia ny izao: “δυνατει δε ο θεος πασαν χαριν πευρισσευσαι εις υμας”, izay midika fa
Andriamanitra no Tompon’ny fahasoavana, ka Izy irery ihany koa no afaka mampitombo izany.
Ny teny hoe: “πευρισσευσαι” eto dia “infinitive”-n’ny verba “πευρισσευω” izay midika ho
manana ny mihoatra.44
42 Dictionary of Paul and His Letters, sv : “Jerusalem” 43 Ibid., “Collections for the Saints”
44 Baker, W. R.: The College Press NIV commentary, II Corinthians (MO: College Press Pub., 1999), 330
Page 15 sur 22
Izany rehetra izany dia manambara ny maha-Patron an ’Andriamanitra Izay
malala-tanana tokoa (generosity= χαρις) amin’ny Fiangonany. Ao amin’ny 8: 10 dia tsy
Andriamanitra no lazaina ho Tompon’ny Fahasoavana fa Jesosy kosa, την χαριν του κυριου
ημων Ιησου Χριστου. Na dia “Broker” no tokony ho toeran’i Jesosy araka ny efa voalaza tery
ambony, eto kosa Paoly dia mametraka Azy ho “Patron”. Araka izay efa voalaza tany ambony
mantsy, indraindray ny Broker teo amin’ny rafitra Patronage-Clientage, dia niseho ho Patron,
ka amin’ny maha-Patron Azy no hampiasana ny χαρις eto izay hilazana ny fitiavany.
Ankoatry ny fampiasana azy voalaza teo ireo anefa, dia mbola ampiasain’i Paoly ihany
ny teny hoe: χαρις, tsy amin’Andriamanitra Patron intsony anefa no ampiasany azy, fa hilazany
ny fisaorana sy fankasitrahana (gratitude) izay atolotry ny Kristiana (Clients) an ‘Andriamanitra
kosa. Tsiahivina fa araka izay voalaza tery ambony, dia anisan’ny hevitry ny χαρις ihany koa
izany raha teo amin’ny Clients no nampiasana azy. In-2 no ampiasan’i Paoly izany eto amin’ny
II Kor 8-9, dia ny 8:16 manao hoe: “χαρις δε τω θεω” sy ny 9: 15 hoe: “χαρις τω θεω επι τη
ανεκδιηγητω δωρεα” (fankasitrahana=gratitude). Hita miharihary eto araka izany ny fanehoan’i
Paoly ny Kristiana ho Clients-n’Andriamanitra.
Mbola misy toerana roa anefa eto amin’ny II Kor 8-9 izay hampiasan’i Paoly ny
voambolana hoe: “χαρις”. Izao no voalazany amin’ny and.6: “ινα καθως προενηρξατο ουτως
και επιτελεση εις υμας και την χαριν ταυτην”. Izay lazain’i Paoly eto dia tsy hafa fa ny
hananterahan’i Titosy an’ilay famoria-mbola tany Korinto, ka izany famoria-mbola izany no
lazainy amin’ny teny hoe: “χαριν”.45 Sahala amin’izany ihany koa no lazainy ao amin’ny and.7
hoe: “ινα και εν ταυτη τη χαριτι περισσευητε”; raha adika ara-bakiteny izany dia izao: “mba
hitomboanareo koa amin’izao fahasoavana izao”. Ny hevitry ny χαρις eto ary dia hilazana ny
fanomezana (relief, izay anisan’ny heviny ihany koa teo amin’ny rafitra patronage-clientage)
izay nangonin’ny Fiangonana ka hampitondrana an’i Paoly ho any amin’ny Fiangonan’ny
Jerosalema.46
Ampiasain’i Paoly indray mandeha ihany ny πιστις eto, dia ao amin’ny 8:7 hoe: Αλλ
ὠσπερ εν παντι περισσευετε, πιστει και λογω και γνωσει και παση σπουδη και τη εξ εν ημων
εν υμιν αγαπη, ινα και εν ταυτη τη χαριτι περισσευητε. Araka izay efa voalaza ihany, dia sady
nilazana ny fahatokian’ny patron no nilazana koa ny fahatokian’ny clients ity teny ity teo
45 Baker, W. R.: The College Press NIV commentary, II Corinthians (MO: College Press Pub., 1999), 330
46 Exegetical Dictionary of the New Testament, s.v: “χαριν”
Page 16 sur 22
amin’ny rafitra “Patronage-Clientage”. Marihina fa ny teny hoe: “περισσευετε” izay Present
Indicative Active (2nd Pers Plural)-n’ny varba περισσευω, izay nadika eto hoe: “mitombo”
(exceed) dia azo adika ihany koa hoe: “mitoetra” (remain).47 Noho izany ny fehezanteny eto
amin’ny and.7 dia azo adika toy izao koa hoe: “fa tahaka ny hitoeranareo amin’ny zavatra
rehetra, amin’ny fahatokiana, ny teny…no hitoeranareo koa amin’izao fahasoavana izao.
Ambaran’izany fa mahatoky amin’ny maha-client-n’Andriamanitra azy ny Korintiana eto.
3.3.2) ANDRIAMANITRA/JESOSY AMIN’NY MAHA-PATRON AZY
Araka ny voalaza tery ambony dia asehon’i Paoly fa Patron Andriamanitra/Jesosy eo
amin’ny fampiasany ny voambolana hoe: χαρις. Inona anefa ny andraikiny amin’ny maha-
Patron Azy araka ny hita eto amin’ny II Kor 8-9? Tsiavina kely aloha ny andraikitry ny patron
teo rafitra Patronage-Clientage, tsy hafa izany fa ny manome izay rehetra ilaina amin’ny
fiainana andavan’andro, toy ny karama vary masaka, fiantrana, fiarovana. Raha araka izay hita
eto amin’ny Korintiana anefa dia lasa lavitra kokoa ny maha-Patron an ’Andriamanitra raha
oharina amin’ny patron’izao tontolo izao. Araka ny hitantsika manaraka eto dia maro tokoa ny
voambolana izay ampiasain’i Paoly, izay hanehoany ny asan’Andriamanitra mikarakara ny
mpanompony (ny clients=ny Kristiana).
Ny teny voalohany hita eto, izay milaza ny asa ataon’Andriamanitra Azy dia Izy
manome. Miverina tsy latsaky ny in-4 ny teny (διδομι) sy ireo teny izay iray tarika aminy, ary
amin’izany rehetra izany dia Andriamanitra avokoa ny “sujet”: 8:1 (δεδομενην) 8:16
(δοντι). Ao amin’ny 9:10 dia ny teny hoe: επιχορηγων (izay adikan’ny Baiboly Malagasy ho
manome), ary ny farany dia 9:15 (δωρεα). Azo heverina fa voambolana iray izay nilaza ny asa
fototra nataon’ny patrons tamin’ny clients teo amin’ny rafitra Patronage-Clientage izany
vomabolana izany. Toa manamarina izany ny teny hoe: “χαρις” izay indraindray dia nilazana
ny fanomezana samihafa tamin’izany fotoana izany. Ambaran’izany fa mifamatotra tanteraka
ary tsy azo sarahina amin’ny χαρις ny διδομι.
Teo amin’ny Korintiana dia azo ambara fa nitobaka tokoa izany
fanomezan’Andriamanitra izany, araka izay hilazan’i Paoly azy eo amin’ny 9:15 hoe “Isaorana
anie Andriamanitra noho fanomezany tsy azo tononina”. Ny teny hoe: “ανεκδιηγητω” dia
47 Ephesians Four Group Greek Dictionary (electronic ed.), s.v: “περισσευω”
Page 17 sur 22
midika fa tsy ilay fanomezana fotsiny no tsy azo tononina, fa ny fitobakiny mihitsy no tsy
misy teny mahalaza azy (the abundance of which cannot be expressed by word).48 Izay
tian’i Paoly ambara eto dia ny fhoarany na ny fitobahan’ny fanomezan’Andriamanitra tao
amin’ny Fiangonana tany Korinto; ary ampoizina ho anisan’ny antony namporisihany azy ireo
hanampy ny Fiangonana tany Jodia izany. Izany tokoa ny fanomezan’Andriamanitra, tsy
manome tapany Izy fa manome feno, ary manome mihoatra aza. Mampiavaka Azy amin’ny
patron’izao tontolo izao izany.
3.3.3) NY TOERAN’I PAOLY SY TITOSY ETO AMIN’NY II Kor 8-9:
“PATRON” sa “BROKER” sa “CLIENT”
Efa voalaza teo fa eo anatrehan’Ilay Andriamanitra Patron Lehibe dia Clients avokoa
ny Kristiana rehetra na iza na iza. Na dia izany anefa, araka izay efa voalaza tany ambony ihany
koa, indraindray ireo mpitory Filazantsara dia miseho ho patron na broker. Paoly Apostoly
ohatra, indraindray dia tena miseho ho patron mihitsy ao amin’ireo Epistily sasany izay
nosoratany (I Kor 4: 15; I Tesal 2:11).49 Eto amin’ny II Kor 8-9 dia misy izao fehezanteny izao
hoe: “…fa ny tenany no natolony (εδωκαν) hoan’ny Tompo aloha dia vao ho anay koa noho ny
sitrapon’Andriamanitra” (8:5). Mipetraka ihany ny fanonataniana ny amin’izay tian’i Paoly
holazaina amin’izany.
Izao no voalazan’ny Baker Commentary:
“Paoly dia mihevitra fa amin’ny fanajana, ny olona tsirairay izay mandray
anjara amin’izao famoriam-bola izao dia maneho ny fankatoavany azy (Paoly).
Heviny izao izao fanangonam-bola izao, izy no nanentana azy, ny vola rehetra izay
voangona dia eo ambany fahefany. Ka noho izany dia tsy misy izay afaka
handrotsaka vola raha tsy efa matoky azy, tsy ny momba ny vola ihany na ho tonga
hoany Jerosalema na tsia, fa ny fahefan’Andriamanitra izay manaramaso ny
famorim-bola…”50
48 Exegetical Dictionary of the New Testament, s.v: “ανεκδιηγητω” 49 Dictionary of Paul and His Letters, s.v: “Paul as Parent”
50 Baker, W. R.: The College Press NIV commentary, II Corinthians, 296:
“Paul realizes that in some respect anyone who gives to the collection is demonstrating their allegiance
to him personally as well. After all, the collection is his idea, and he is the one promoting it. Money put
in the coffers is under his jurisdiction. No one could possibly give unless they trusted him, not only to
Page 18 sur 22
Raha dinihina izany dia hita fa ny fahefana maha-Apostoly mihitsy no tian’i Paoly ho lazaina
eto. Amin’ny maha-Apostoly dia andraikiny ny mampahatsiaro ny Kristiana amin’ny
olon’Andriamanitra azy ny amin’izay tokony atao. Tazana amin’izany ny asan’ny Broker teo
amin’ny rafitra “Patronage-Clientage” izay nampahatsiaro ny samy clients ny amin’ny tokony
hifanampiana sy hifanohanana (Cf amin’izay voalaza tery ambony). Ambaran’izany fa tokony
ho “Broker” no toerana izay hametrahan’i Paoly ny tenany eto (izy sy ireo namany). Tsindraina
eto mantsy fa eo ambany fahefan’Andriamanitra hatrany Paoly amin’ny fanaraha-maso ity
famoriam-bola ity. Ary izy tenany (Paoly) dia mipetraka eo amban’izany fahefana izany.
3.3.4) NY KRISTIANA AMIN’NY MAHA-“CLIENT”-N’ANDRIAMANITRA AZY
ARAKA IZAY HITA ETO AMIN’NY II KOR 8-9
Raha amin’ny solomaso Patronage-Clientage tokoa no hijerena TV, dia hita fa
Andriamanitra no Patron ary ny Kristiana no clients. Ny zavatra hita anefa dia izao: tsy ny
fifandraisan’ny patron sy ny client mihitsy no modely ambadiky ny fifandraisan’Andriamanitra
sy ny Kristiana. Ny Kristiana mantsy dia tsy client-n’Andriamanitra amin’izao fotsiny sahala
amin’ny clients rehetra tamin’izany fotoana izany, fa zanaka izay natsangana teo amin’ny
Batisa. Maneho izany ny fanomezan’Andriamanitra tsy misy fetra araka izay voalaza tery
ambony. Izay voalaza ao amin’ny 8:7 (Jesosy Izay tonga nahantra mba hampanan-karena ny
olona), dia maneho fa manoatra lavitra noho ny fifandraisan’ny patron sy ny clients tamin’izany
ny fifandraisan’i Jesosy sy ny olony. Tsy azo heverina ho nisy mantsy teo amin’ny grika-
romana ny patron izay nahafoy ny hareny manotolo mba hampanan-karena ny client-ny.51
Araka izay efa voalaza tany ambony, dia ampiasain’i Paoly amin’ny Kristiana ny hoe:
χαρις eto amin’ny II Kor 8-9, izay hilazany ny fisaorana sy ny fankasitrahana izay atolotr’izy
ireo an ’Andriamanitra noho ny fanomezany mitobaka. Raha natolotra ireo patrons teo amin’ny
Greco-Roman izany, izay azo lazaina fa patrons tsy tonga lafatra; indrindra fa Andriamanitra
Ilay Patron lehibe dia tandrify izany fisaorana sy fankasitrahana izany tokoa. Teo amin’ny
patronage-clientage Grika Romana, dia nolazaina client mahatoky (πιστις) ny client izay
be sure the money gets to the Jerusalem Christians as he has said but also that he is truly under God’s
authority to oversee such a collection…”
51 Cf Marka 10 : 17-27 « Ilay lehilahy nanan-karena izay nanontany an’i Jesosy »
Page 19 sur 22
mahavatra manolotra fisaorana sy fankasitrahana ny patron.52 Ambaran’izany fa Client
mahatoky ny Korintiana izay manolotra fisaorana sy fankasitrahana (gratitude: χαρις)
an’Andriamanitra Ilay Patron Lehibe.
Ankoatr’izany dia mbola maneho ny maha-mahatoky ny Korintiana koa ny
fahavononany handefa fanampiana any amin’ny Kristiana namany. Ny Fiangonana sy ny maha-
Kristiana (toy ny “Collegia” teo amin’ny fiaraha-monina Grika-Romana) dia anisan’ny sehatra
iray izay ahafahan’ny samy zanak’Andriamanitra mifanampy sy mifanohana eo amin’ny
fiainana. Ao anatin’izany Fiangonana izany dia Andriamanitra no Ilay Patron Lehibe, Izay
manohana ny fikambanana (Fiangonana), sy manaramaso ary koa antoky ny fampandehanana
azy amin’ny lafiny rehetra. Toy ny fikambanana iray teo amin’ny fiaraha-monina Hellenista-
Romana fahiny, izay nisy patron mpikambana ka nanohana sy nanara-maso, ary nibaiko ny
mambra rehetra ny amin’ny lalana fototra nifehy ny fikambanana; dia toy izany koa ny
Fiangonana izay fikambanan’ny olona masina, dia Andriamanitra no mibaiko ny amin’ny
fombam-piainana vaovao izay tiany hiainan’ny mpikambana rehetra, DIA NY FIAINANA
IZAY ANJAKAN’NY FIFANKATIAVANA SY NY FIFANAMPIANA ARY NY
FIFANOHANANA. Izany mantsy no takia’ny toe-tsaina maha-mpirahalahy (brotherhood)
ny olona rehetra. Miaina amin’izany ny Korintiana eto amin’ny maha-clients-n’Andriamanitra
mahatoky azy, amin’ny hanaovany famoriam-bola hampitondrainy an’i Paoly hoan’ny rahalahy
mahantra tany Jodia. Tokony ho izany koa no fiainan’ny Fiangonana sy ny Kristiana rehetra
ankehitriny.
Izay nataon’ny Korintiana eto dia lesona sy filamatra hoan’ny Fiangonana rehetra ka
tokony alain-tahaka sy hampiharina eo amin’ny fiainan’ny Fiangonana rehetra. Mety maro ny
fandaminana azo atao amin’izany, mialoha ny zavatra rehetra anefa dia tokony ho fantatra
mazava ny antony hanaovana famoriam-bola na fanampiana. Tsy voatery ho hisy mosary na
fahasahiranana, fa ohatra fanamboarana trano Fiangonana amin’ny toerana anakiray. Sarotra
ny manao izany ary ampoizina tsy vitan’ny olona iray na Fiangonana iray, fa tsy maintsy liana
fanampiana avy amin’ny Fiangonana hafa. Amin’izay fotoana izay dia mety azo atao ny
famoriam-bola. Tsy voatery ho izany ihany anefa, fa azo raisina ho ohatra koa ny asa ataon’ny
Fiangonana ho fanatsarana ny fiainan’ny mpiara-belona, izay hanaovana famoriam-bola
52 Exegetical Dictionary of the New Testament, s.v: “χάρις, ιτος, ἡ”
Page 20 sur 22
CONCLUSION
Ny rafitra Patronage-Clientage dia rafi-piaraha-monina natanjaka teo amin’ny tontolo
Helenista-Romana fahiny. Tao anatin’izany dia nisy ny patron izay niahy ny fiainan’ireo olona
sahirana ara-pivelomana, izay niasa tao aminy ka tonga client. Ireo clients ireo indray dia
nisaotra sy nankasitraka manokana an’ilay patron. Ankoatry ny patron sy ny clients dia nisy
koa ny Broker, izay mpanelanelana azy roa. Indraindray ny broker dia niseho ho patron ihany
koa. Ireo clients koa dia nifandray tamin’ny alalan’ny fikambanana samihafa izay nisy
tamin’izany fotoana izany.
Raha izany rafitra izany no entina hanazavana ny II Kor 8-9, dia izao no azo ambara:
voalohany dia ny maha-Patron an’Andriamanitra. Izy no mikarakara ny Clients-ny, izay tsy
hafa fa ny Fiangonana. Manome mihoatra ny amin’izay rehetra ilaina eo amin’ny fiainana
andavan’andro, satria tsy mba azo tononina mihitsy ny fanomezany, araka izay hilazan’i Paoly
azy eto amin’ny II Kor 9:15. Lazaina amin’ny teny hoe: χαρις, izay miverina imbetsaka eto,
izany fanomezan’Andriamanitra izany. Mihoatra lavitra amin’ny patron’izao tontolo izao
Andriamanitra noho ny hamaroana sy ny halehiben’ny fanomezany.
Ny zavatra faharoa dia ny maha-Patron an’i Jesosy eto amin’ny II Kor 8-9. Patron no
toerana izay hametrahan’i Paoly Azy eto fa tsy Broker fotsiny. Ny teny hoe: χαρις dia
ampiasaina aminy koa toy ny ampiasana azy eo amin’ny patron. Mihoatra lavitra amin’ny
patron’izao tontolo ihany koa anefa Jesosy satria tsy nitady izay tombontsoan’ny Tenany.
Nilaozany ny voninahiny sy ny hareny ka dia tonga nahantra Izy mba hampanan-karena ny
Clients-ny.
Paoly sy ireo mpiara-miasa aminy indray dia miseho ho broker eto amin’ny II Kor 8-
9. Maneho ny tenany ho manana fahefana amin’ny Fiangonana i Paoly azy, ka mangataka azy
ireo mba hanao famoriam-bola hiantrana ny sahirana. Na dia maneho ny tenany ho manana
fahefana toy izany anefa izy, dia tsy manadino an’Ilay Andriamanitra Patron Lehibe.
Ny Korintiana dia Clients, tanteraka taminy tokoa ireo fepetra izay maha-clients
mahatoky eo anatrehan’Andriamanitr Patron. Nasaotra sy nanome fankasitrahana (χαρις) izy
noho ny fanomezan’Andriamanitra azy tsy tapaka. Nahatoky koa izy ka izay
nasain’Andriamanitra (Patron) ataony tamin’ny alalan’i Paoly (famoriam-bola hiantrana ny
sahirana) dia nataony tsy am-pisalasalana. Izany fahavononana hiantra ny sahirana dia maneho
fitiavana, izay toetra takian’Andriamanitra hiainan’ireo zanany.
Page 21 sur 22
BIBLIOGRAFIA
Baker, W. R.: The College Press NIV commentary, II Corinthians, MO: College Press Pub.,
1999
Bell, A. A. Exploring the New Testament world, Nashville, T. Nelson Publisher, 1998
Bouquet A.C., Everyday Life in New Testament Times Printed in United State of America,
1953
Dictionary of Paul and His Letters USA 1993
Dictionary of the later New Testament and its developments
Dictionary of the New Testament background, S.V: Porter, S. E., & Evans, C. A. 2000.
Ephesians Four Group Greek Dictionary, electronic ed.
Exegetical Dictionary of the New Testament Mich.: Eerdmans, 1990-c1993
Guthrie Donald, New Testament Theology Box F. Downer Grove, Illinois 60515 USA, 1981
Guthrie George H., The Socioeconomic Background of the New Testament, Printed in USA
2010
Horsley Richard A, Paul and Empire: Religion and Power in Roman Imperial and Society
Harrisburg Pennsylvania, 1997
Jean de Dieu Rafalimanana, Ny Soratry ny Testamenta Vaovao sy ny Fifandraisany amin’ny
Tontolo ara-Koltoraly sy ara-Piarahaman’ny Fiangonana Kristiana Voalohany SALT
Ivory Fianarantsoa, 2002
Kuen Alfred, Introduction au Nouveau Testament : Les Lettres de Paul Ed. Emmaüs: Saint
Legier, 1989
Laugerud Tore, Ny Tontolon’ny Testamenta Vaovao, STL Ivory Fianarantsoa 1987
Machen J. Gresham, The New Testament, An Introduction to Its Literature and History, Ed.
By W. John Cook, Printed in Great Britain by R. MacLoshe, January 1976
Menoud Philippe H., La Vie de l’Eglise Naissante, Declancheaux et Niestlé, 1952
Stream Carol IL: Christianity Today, Christian History: Paul and His Times, by Logos
Research Systems, 1996 electronic ed.
W Hendrickson. & Kistemaker, S. J., New Testament commentary: Exposition of Colossians
and Philemon, Grand Rapids: Baker Book House, 1964
Page 22 sur 22
Recommended