43
1 DINIKE FIFIDIANANA SOLOMBAVAM-BAHOAKA 2019 DINA IOMBONAN-KEVITRA FIFANARAHANA MIKASIKA NY FAMPIHAVANANA, NY FAMPIVOARANA, NY FAMPANDROSOANA ARY NY FITANTANANA FIZAHAN-TAKILA FAMPITANDREMANA 3 FAMINTINAM-PAMPIHARANA NY FIFANARAHANA 5 FANOLORANA ANKAPOBENY 7 TENY FAMPIDIRANA 8 1/ Ny fanajana ny Lalam-panorenana sy ny Andrimpanjakan’ny Repoblika 8 2/ Ny fifehezana ireo dingana sy ny vokatsoa ateraky ny fampandrosoana 9 TOKO I : FIANTRAIKAN’NY FIFANARAHANA EO AMIN’IREO MPANAO SONIA 12 TOKO II : NY ANDRIMPANJAKANA AMIN’NY ANKAPOBENY 12 TOKO III : MOMBA NY FAMPIHAVANAM-PIRENENA SY NY FANAVAOZANA IFOTONY 13 NY FIRENENA SY NY REPOBLIKA ARY NY FITSAPAN-KEVI-BAHOAKA MIKASIKA NY LALAM-PANORENANA MISY SAFIDY MARO TOKO IV : MOMBA NY FIRAISAN-KINAN’IREO AMBARATOGAN-TAONA SAMIHAFA 14 TOKO V : MOMBA NY TANY TAN-DALANA, NY FITONDRANA TSARA TANTANA, 14 NY FITONDRAN-TENA AMIN’NY ANKAPOBENY SY ARA-POLITIKA TOKO VI : MOMBA NY “MADAGASCAR ACTION PLAN II” 14

FIFANARAHANA MIKASIKA NY FAMPIHAVANANA, NY … · Ny famoronana orinasa (asa-tanana, koperativa, PMIE na rafitra hafa) ataon’ny tanora, ny zokinjokiny ary ny vehivavy dia amporisihina

  • Upload
    others

  • View
    0

  • Download
    0

Embed Size (px)

Citation preview

Page 1: FIFANARAHANA MIKASIKA NY FAMPIHAVANANA, NY … · Ny famoronana orinasa (asa-tanana, koperativa, PMIE na rafitra hafa) ataon’ny tanora, ny zokinjokiny ary ny vehivavy dia amporisihina

1 DINIKE

FIFIDIANANA SOLOMBAVAM-BAHOAKA 2019

DINA IOMBONAN-KEVITRA

FIFANARAHANA MIKASIKA NY

FAMPIHAVANANA, NY FAMPIVOARANA,

NY FAMPANDROSOANA ARY NY FITANTANANA

FIZAHAN-TAKILA

FAMPITANDREMANA 3

FAMINTINAM-PAMPIHARANA NY FIFANARAHANA

5

FANOLORANA ANKAPOBENY 7

TENY FAMPIDIRANA 8

1/ Ny fanajana ny Lalam-panorenana sy ny Andrimpanjakan’ny Repoblika 8

2/ Ny fifehezana ireo dingana sy ny vokatsoa ateraky ny fampandrosoana 9

TOKO I : FIANTRAIKAN’NY FIFANARAHANA EO AMIN’IREO MPANAO SONIA 12

TOKO II : NY ANDRIMPANJAKANA AMIN’NY ANKAPOBENY 12

TOKO III : MOMBA NY FAMPIHAVANAM-PIRENENA SY NY FANAVAOZANA IFOTONY

13 NY FIRENENA SY NY REPOBLIKA ARY NY FITSAPAN-KEVI-BAHOAKA MIKASIKA

NY LALAM-PANORENANA MISY SAFIDY MARO

TOKO IV : MOMBA NY FIRAISAN-KINAN’IREO AMBARATOGAN-TAONA SAMIHAFA 14

TOKO V : MOMBA NY TANY TAN-DALANA, NY FITONDRANA TSARA TANTANA, 14

NY FITONDRAN-TENA AMIN’NY ANKAPOBENY SY ARA-POLITIKA

TOKO VI : MOMBA NY “MADAGASCAR ACTION PLAN II” 14

Page 2: FIFANARAHANA MIKASIKA NY FAMPIHAVANANA, NY … · Ny famoronana orinasa (asa-tanana, koperativa, PMIE na rafitra hafa) ataon’ny tanora, ny zokinjokiny ary ny vehivavy dia amporisihina

2 DINIKE

TOVANA

TOVANA 1: IREO ANDRIMPANJAKANA SY RAFITRA TOKONY HATSANGANA

19 AMIN’NY FAMARITANA NY FANOVANA NY LALAM-PANORENANA AORIAN’NY

FIFIDIANANA FILOHAM-PIRENENA

TOKO I : NY ANDRIMPANJAKANA FOIBE 19

MOMBA NY RAFITRA MPANATANTERAKA FOIBE 19

Ny Filohan’ny Repoblika, Filoham-pirenena 20

Ny Governemanta Nasionaly 20

MOMBA NY RAFITRA MPANAO LALANA 20

Ny famaritana sy ny fanitarana ny fahefan’ny Antenimeram-pirenena 20

FIRENENA TAN-DALANA : MOMBA NY RAFIM-PITSARANA 22

Ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana 22

Ny Mpanara-maso Ankapobeny ny Fitsarana (IGJ) 22

Ny Fitsarana momba ny Kaonty 23

TOKO II : MOMBA NY FAMPIHAVANAM-PIRENENA 24

Ny Filan-kevitry ny Raiamandreny 26

Ny Filan-kevitra Nasionalin’ny Fampihavanana (CNR) 26

TOKO III : MOMBA NY FAMPIHAVANAM-PIRENENA SY NY FANAVAOZANA IFOTONY

27 NY FIRENENA SY NY REPOBLIKA ARY NY FITSAPAN-KEVI-BAHOAKA MIKASIKA

NY LALAM-PANORENANA MISY SAFIDY MARO

a- Ireo rijan-tenin-dalàna iorenan’ny Fampihavanam-pirenena sy ny Fanorenana Ifotony ny Firenena 27

sy ny Repoblika

b- Diarin’ny adi-hevitra savaranon’ando eny anivon’ny fokontany 27

TOKO IV : MOMBA IREO VONDROM-BAHOAKA ITSINJARAM-PAHEFANA 27

TOKO V : MOMBA NY RAFITRA MPANARA-MASO NY FIFIDIANANA 30

Ny Kaomisionina Nasionalin’ny Fifidianana (CNE) 30

TOKO VI : MOMBA NY RAFITRA FILAN-KEVITRY NY REPOBLIKA 30

Ny Filan-kevitra Ara-toekarena, Sosialy, Kolontsaina ary Tontolo iainana (CESCE) 30

Ny Filan-kevitra momba ny Filaminana Nasionaly sy ny Fiarovam-Pirenena (CSNDN) 31

TOKO VII : IREO FEPETRA VONJIMAIKA AORIAN’NY FIFIDIANANA FILOHAM-PIRENENA 32

TOVANA 2 : IREO SORI-DALANA LEHIBE MIKASIKA NY POLITIKAN’NY 33

FIRAISAN-KINAN’ IREO AMBARATONGAN-TAONA SAMIHAFA Andininy I : Momba ireo mpiasa mpisotro ronono 33

Andininy II : Momba ny tanora 33

Andininy III : Momba ny fampandrosoana ny Faritra sy ny fampivoarana ifotony 34

TOVANA 3 : FEPETRA SY SORI-DALANA AMPIHARINA MIKASIKA NY FIRENENA

37 TAN-DALANA, NY FITONDRANA TSARA TANTANA ARY NY FAHAIZA-MIAINA

ARA-PANJAKANA SY ARA-POLITIKA

Andininy I : Momba ny Firenena Tan-dalàna 37

Andininy II : Momba ny fitondrana tsara tantana, ny mangarahara sy ny tamberin’andraikitra 38

Andininy III : Momba ny fahaiza-miaina ara-panjakana sy ara-politika 42

Page 3: FIFANARAHANA MIKASIKA NY FAMPIHAVANANA, NY … · Ny famoronana orinasa (asa-tanana, koperativa, PMIE na rafitra hafa) ataon’ny tanora, ny zokinjokiny ary ny vehivavy dia amporisihina

3 DINIKE

FAMPITANDREMANA

Ity Fifanarahana mikasika ny Fampihavanana, ny Fampivoarana, ny Fampandrosoana ary ny Fitondrana Tsara

Tantana ity dia nataon’ny kandidà ho filohampirenena RAVALOMANANA Marc, Filohampirenena teo aloha,

sonia ny 21 oktobra 2018. Ity antontan-taratasy ity no fototry ny politikam-pisokafana tamin’iny fifidianana ho

filohampirenena farany teo iny. Ny Fifanarahana dia famintinana ilay antontan-taratasy 96 pejy mikasika ny

Fampihavanam-Pirenena sy ny Fanovana Ifoton’ny Firenena sy ny Repoblika izay navoitran’i Profesora ZAFY

Albert niaraka tamin’ireo ekipa notarihin’i ZAFIMAHOVA Serge ka anisan’izany ilay mpahay lalàna IMBIKY

Anaclet.

Marihina fa io antontan-taratasin’i Profesora ZAFY Albert io dia nanaja tanteraka ireo fehinkevitra nivoitra

tamin’ireo fivoriana isan-karazany izay nokarakarain’ny FFKM sy ireo mahakasika ny fivoahana tamin’ny krizy

nifanesy (1972, 1991, 2009) indrindra indrindra fa ny Fifanarahana tany Maputo sy ny Tovana Fanampiny tany

Addis Abeba tamin’ny 2009. Ny Fitantanam-Panjakana sy ny Fanjakana Tan-dalàna dia voarakitra tsara ao

anatin’io antontan-taratasy io. Tsara ho marihina koa fa ny antontan-taratasy feno mikasika ny Fampihavanana

sy ny Fanavaozana Ifotony dia efa voadinika sy efa nomena ireo Raiamandreny eo anivon’ny FFKM tamin’ny

dinika samihafa tamin’ny taona 2013 sy ireo mpikambana rehetra eo anivon’ny Fiombonamben’ny Eveka eto

Madagasikara nandritra ny fivoriana mahazatra ny volana novambra 2014.

Ny lafiny ara-ekonomika dia no tovozona amin’ny ankapobeny tao amin’ny Madagascar Acion Plan II na MAP

II izay fandaharan’asa any Filoha RAVALOMANANA Marc. Marihana fa ireo tekinisianina avy eo amin’ny

TIM sy ny MDE no niaraka nadrafitra ny MAP II.

Ny Manifesto no famintinana azy rehetra rahefa jerena.

Amin’ny ankapobeny, ny Vovonana Politika DINIKE dia fivondronan’ireo fikambanana sy olon-tsotra nantsoina

hoe “fisokafana” izay nanohana ny kandidà RAVALOMANANA Marc. Tamin’ny fampielezan-kevitra ho

filoham-pirenena 2018, ireo fikambanana fisokafana samy irery no nivoy ny Fifanarahana fa tsy ny vondrona

politika ny kandidà. Ny Vovonana DINIKE dia mahatsapa fa ity Fifanarahana ity ihany no programa Fototra ary

Matotra amin’ny fampandrosoana an’ny Madagasikara.

Page 4: FIFANARAHANA MIKASIKA NY FAMPIHAVANANA, NY … · Ny famoronana orinasa (asa-tanana, koperativa, PMIE na rafitra hafa) ataon’ny tanora, ny zokinjokiny ary ny vehivavy dia amporisihina

4 DINIKE

Page 5: FIFANARAHANA MIKASIKA NY FAMPIHAVANANA, NY … · Ny famoronana orinasa (asa-tanana, koperativa, PMIE na rafitra hafa) ataon’ny tanora, ny zokinjokiny ary ny vehivavy dia amporisihina

5 DINIKE

FAMINTINAM-PAMPIHARANA NY FIFANARAHANA

1. Ny mpanao sonia ity fifanarahana ity, RAVALOMANANA Marc, mpifaninana ho filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, sy ireo vovonana mpanohana azy dia miaraka manaiky fa hiaro sy hanaja

drafi-piaraha-monina sy lamin’asa na governemanta iray izay mamaly ny tena hetaheta lalin’ny

vahoaka Malagasy mikasika ny fampihavanana, ny fanorenana ifotony, ny fanapariaham-pahefana, ny fandriam-pahalemana, ny filaminam-bahoaka, ny tsy fanilikiliana ara-tsosialy sy ara-toekarena ary ny

fampivoarana malaky sy fampandrosoana maharitra ny Firenena malagasy.

2. Tsy noferana ho fanangonana finiavana tsotra fotsiny no fototra nandrafetana ity fifanarahana ity fa tena fanovàna seha-pandinihina, drafi-piaraha-monina, lamin’asan’ny governemanta, paik’adin’ny

politikam-panjakana sy fitantanana. Izany dia miorina miaraka amin’ny fepetra misongadina sy fomba

fampiharana voafaritra tsara sy azo hitarina : - Ny hevi-dehibe izay arovan’ny Mpifaninana sy ny vovonana manohana azy, mandritry ny “Loabary

Andasy sy Ady Hevitra” miainga eny anivon’ny Fokontany manerana an’i Madagasikara izay

mampandray anjara ny fokonolona tsy misy anavahana sy voafaritra tsara, mba ahazoana Lalam-panorenana vaovao sy Andrim-panjakana afaka mifehy ny kajikajy politika;

- Ny famaritana ny politikam-panjakana fohy ezaka mikasika : ny tamberin’andraikitra, ny

fitantanana, ny fandriam-pahalemana, ny Firenena tan-dalàna, ny fampandrosoana ny toe-karena, sns.

- Ny fisian’ny toro-lalana mba hamerenana amin’ny laoniny ny rafi-panjakana.

3. RAVALOMANANA Marc dia mandray lesona avy amin’ny tantara sy ny lasany fony izy nitondra ny firenena no sady hampiatra ihany koa ny foto-kevitra nijoroan’i Profesora ZAFY Albert, izay nametraka

lova ho an’ny Firenena toa an’i Nelson MANDELA, raha ny filôzôfiany momba ny Fampihavanam-

pirenena sy ny Fanorenana Ifoton’ny Repoblika no resahina. Izy sy ny Vovonana manohana azy dia miara-manaiky fa raha vao lany ho Filoham-pirenena izy, dia hanomboka hametraka tsikelikely ireo

Andrim-panjakana sy ireo rafi-pahefana hantanteraka izany tanjona laharam-pahamehana izany, izay

fototra iorenan’ilay tranobe iraisana “Madagasikara” antoky ny fanovàna sy ny faharetan’ny fifampitokisana, ny fanjakana maripototra, ny fandriam-pahalemana ary ny filaminana.

4. Ny fomba fiasa amin’izany, izay eo ambany fitarihan’ny rafitra sy olona toa-teny, azo itokisana sy

mahaleo-tena toa any ireo Raiamandreny eo anivon’ny FFKM, izay efa tafiditra hatry ny ela tao amin’ny Fampihavanam-pirenena sy ny Fanorenana Ifoton’ny Repoblika, dia mifantoka amin’ny

fampandraisan’anjara ny rehetra sy tsy misy fanilihina ny vahoaka, miainga eny anivon’ny Fokontany. Izany dia hifarana amin’ny fanovana Lalam-panorenana izay heken’ny rehetra avy amin’ny alalan’ny

Fitsapan-kevim-bahoaka misy safidy maro manaraka ny teti-andro voafaritra ato anatin’ity fifanarahana

ity. Singanina amin’izany ny fanomezana sata sy andraikitra manokana ny Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana (CTD) hatrany amin’ny fokontany, indrindra indrindra eo amin’ny lafiny ara-bola,

fampandrosoana ny faritra, kaominina sy ny filaminam-bahoaka. Ny tanjona dia ny fahaleovan-tena sy

ny fandraisana andraikitrin’ny CTD mikasika ny fampianarana, fampivoarana, fampandrosoana sy ny fahasalamam-bahoaka ary ny fiarovana ny olona sy ny fananany.

5. Ny CTD dia hanoritra Teti-Pampivoarana isam-paritra (PDR), Kaominina (PDC) ary fokontany ka ho

hita ao ny fanombanana ireo loharanon-karena, sosialy ary kolontsaina ananany ary ny lamin’asa hitrandrahana azy ireo miaraka amin’ireo tombotsoa hisitrahan’ireo olom-pirenena ao aminy, kanefa

kosa tsy manozongozona ireo asa efa misy ary hahafahany mahita fiantraikany mivaingana sy azo

tsapain-tanana eo amin’ny fari-piainany. 6. Mifandrindran-dalana amin’izany ny fanaovana laharam-pahamehana ny fampandrosoana ara-

toekarena. Ny tanjona dia ny finiavana hametraka sy hitondra hetsika ahazoana vokatra haingana

handresena ny ady amin’ny fahantrana, ny famoronana sy fizarana harena. Izany no paikady ara-toe-karena sy ara-pitatanam-bolan’ny firenena vaovao sy ny Madagascar Action Plan II (MAP II).

7. Misandrahaka amin’ny lafiny telo ny MAP II : ireo lamin’asa mikasika ny ara-toe-karena eo amin’ny

ambaratonga nasionaly, ireo tetikasa fampandrosoana eny anivon’ny Faritra sy ny Vondrombahoaha hitsinjaram-pahefana (CTD), ny fananganana orinasa ataon’ny tanora, ny zokin-jokiny ary ny vehivavy.

Izany dia hatao hiantoka ny fifaninanana madio, hanamafy ny fahaizana mamokatra ary manentana ny

hidirana amin’ireo tsenam-bokatra eny ambanivohitra. 8. Ny MAP II dia hamaritra sy hametraka ho laharam-pahamehana ireo tetik’asa mampiofana sy misy

fiantraikany mafonja eo amin’ireo sehatra mampiavaka an’i Madagasikara, handamina ny

fanatanterahana azy ireo, hampivondrona ihany koa ireo mpiara-miombon’antoka vahiny sy avy eto an-

Page 6: FIFANARAHANA MIKASIKA NY FAMPIHAVANANA, NY … · Ny famoronana orinasa (asa-tanana, koperativa, PMIE na rafitra hafa) ataon’ny tanora, ny zokinjokiny ary ny vehivavy dia amporisihina

6 DINIKE

toerana ilaina amin’ny fampiharana an’izany, hanavao ireo fitaovam-pamatsiam-bolan’ny toe-karena

sy ny fampivoarana ihany koa, hanatsara ireo Rafi-pitondram-panjakana sy ny Andrim-panjakana mba hanamafisana ny fahombiazany.

9. Ny Fanjakana dia hamorona rafitra manampy ny fampandrosoana eny anivon’ny Faritra sy ny rafitra

ifotony ary handefa eny anivon’ireo CTD, ny fanampiana arak’olona, ara-tekinika, ny fitaovana ary ny vola ilaina. Ny tanora no kitro ifaharan’ny fampivoarana, andrin’ny famokarana sy tanjaky ny

fanavaozana ny rafitra ifotony, avy amin’ny alalan’ny fanompoam-pirenena mifanandrify mifanaraka

amin’ny filàn’ny firenena sy ny asa fanoloran-tena ho an’ny fampandrosoana. 10. Ny famoronana orinasa (asa-tanana, koperativa, PMIE na rafitra hafa) ataon’ny tanora, ny zokinjokiny

ary ny vehivavy dia amporisihina sy tohanana eny amin’ny ambaratonga rehetra (Fokontany ,

Kaominina, Faritra, Nasionaly). 11. Izany rehetra izany no hambopo sy vina fototra iorenan’ny filatsahan’i RAVALOMANANA Marc sy

ny fanohanana ataon’ireo Vovonana sy ny mpanao sonia rehetra an’ity fifanarahana ity.

*

* *

Page 7: FIFANARAHANA MIKASIKA NY FAMPIHAVANANA, NY … · Ny famoronana orinasa (asa-tanana, koperativa, PMIE na rafitra hafa) ataon’ny tanora, ny zokinjokiny ary ny vehivavy dia amporisihina

7 DINIKE

FIFANARAHANA MIKASIKA NY

FAMPIHAVANANA, NY FAMPIVOARANA, NY

FAMPANDROSOANA ARY NY FITANTANANA

FANOLORANA ANKAPOBENY

Ho valin’ny antso nataon’ireo Fiangonana Kristianina samihafa, indrindra indrindra ny Fiombonan’ny

Fiangonana Kristianina Malagasy (FFKM) izay nangataka ny laika mba handray ny andraikiny hiady amin’ny kolikoly sy hanarina ny toe-karena mba hanafoanana ny fahantrana, RAVALOMANANA Marc dia hirotsaka

hofidina filoham-pirenena ny 07 Novambra sy 19 Desambra 2018.

Ampanetren-tena tanteraka no haneken-dRAVALOMANANA Marc ny hadisoana nataony tamin’ny

fitantanana ny firenena teo aloha ary ialàny tsiny raha nisy ny alahelo, ny ratra na ny jaly mety nozakaina tamin’ny anarany. Ny tantara tsy fanadino fa ny fifamelan-keloka, izay fototry ny finoantsika kristianina, dia

soatoavina iray izay nampianarina antsika na inona na inona fitsapana. Ny fandresena teo amin’ny asa natao sy

ny politikam-panjakana tamin’ny lasa dia tsy afaka manafina ireo tsy nety natao ka tokony hakana lesona.

Ity fifanarahana mikasika ny Fampihavanana, ny Fampivoarana, ny Fampandrosoana ary ny Fitantanana izay

antsoina hoe “Fifanarahana” ity dia fifanekena politika ifamatoran’ireo rehetra izay manao sonia azy ary

hananganana vovonana malalaka iray manohana ny filatsahan-kofidian-dRAVALOMANANA Marc ka mamporisika ireo mpanao sonia mba hiara-hientana ho tompon’andraikitra eo amin’ny fanatanterahana ireo

firehana politika voafaritra ao anatiny mba hahafahana miantoka :

- Ny Fampihavanam-pirenena sy ny Fanorenana Ifotony ny Firenena sy ny Repoblika ;

- Ny Fampandrosoana mivelatra ifotony miankina amin’ny fanaovanalaharam-pahamehana ny

fanomezan-danja ireo harena voajanahary,

- Ny Fampivoarana miralanja sy mirindra ireo faritra samihafa eto Madagasikara ao anatin’ny rafi-

pahefana mipariaka arak’olona, ara-bola, ara-politikam-panjakana, ny finiavan’ireo sehatra tsy

miankina, ny fahaizamanao ary ny tekinika;

- Ny Madagascar Action Plan II (MAP II) nohavaozina hifanaraka amin’ny fanambin’ny tontolo sosialy

sy ekonomika misy ankehitriny, ary

- Ny Fitantanam-panjakana mba hamerenana indray ny Firenena Tan-dalàna, ny Fahefam-panjakana, ny

fandriampahalemana ary nyfandalana ny fahitsina eo amin’ny firenena.

Avy amin’ny safidim-piaraha-monina na lamin’asa aroson’ny tsirairay avy mandritra ity fotoana fandresen-

dahatra alohan’ny fifidianana ity, dia hita taratra fa ireo kandidà rehetra dia samy entanin’ny fitiavan-

tanindrazana avokoa. Niainga avy amin’ireo rindran-damina narahin’ny Fampihavam-pirenena, nolalain’i Profesora ZAFY Albert sy nifotorany tokoa tamin’ny alalan’ireo tolona ara-politika natrehany sy nohon’ny

tantaram-piainany fakan-tahaka nifantoka tamin’ny fifamelana, no hanatanterahana ireo “Loabary andasy sy

adihevitra” eny anivon’ny Fokontany rehetra manerana ny Nosy. Hatao izany ho antoky ny Fanorenana Ifotony ny firenena sy ny Repoblika tsy misy fanavahanaka hahafahana hanorina miaraka ny tranobe iraisana

“Madagasikara”, ao anatin’ny fiombonam-panahy sy ny fifanajana tanteraka na dia eo aza ireo tsy fitoviam-

pijery maro. Noho izany, ny fifidianana Filoham-pirenena 2018 dia tokony hiteraka fitoviam-pijery

manome tombonyny fanovàna fototra ny rafitra sy ny fomba fitantanana, izay atolotr’i

RAVALOMANANA Marc, mba hahatrarana ny fanambin’ny fampivoarana sy ny fampandrosoana ary

ho an’ny ho avy tsaratsara kokoa ho an’ny vahoaka Malagasy, ao anatin’ny fahasamihafana sy ny tsy

fifanilihina. Izany hoe karazana fitsapankevi-bahoaka izy ity. Izany no hahatonga ireo mpanao sonia rehetra

an’ity fifanarahana ity hanana vinam-piaraha-monina sy lamin’asa hikambanana ho arovana mandritry ny

loabary andasy sy ny fitantanana ny fanjakana. Ny hevitra sy ny fandraisan’anjara rehetra dia hiainga avy amin’ny rafitra fototra, ny fokontany miaraka amin’ny fanehoan-kevitry ny fokonolona, izay ho tohizan’ireo

mpisolo-tena voafidiny, ireo Sefom-pokontany, ka hipaka hatrany amin’ireo solontenanasionaly, ny

Filankevitra Nasionalin’ny Fampihavanana.

Ity fifanarahana ity dia miatomboka amin’ny teny fampidirana mampiseho famakafakana, arahan’ireo

fotokevitra sy tanjona ankapobeny iombonan’ireo mpanao sonia, izay kitro ifaharan’ny filatsahan-ko fidian’i

RAVALOMANANA Marc ary manamarina ny fanohanana ny filatsahany.

Page 8: FIFANARAHANA MIKASIKA NY FAMPIHAVANANA, NY … · Ny famoronana orinasa (asa-tanana, koperativa, PMIE na rafitra hafa) ataon’ny tanora, ny zokinjokiny ary ny vehivavy dia amporisihina

8 DINIKE

TENY FAMPIDIRANA Ny hevitra iraisan’ireo mpanao sonia an’ity fifanarahana ity sy ny fandraisan’anjaran’izy ireo ho any amin’ny

ho fandresen’i RAVALOMANANA Marc dia mifototra amin’ny tanjona roa lehibe izay raisina ho laharam-

pahamehana: ny fahatsapan’ny vahoaka fa izy no tompon’ny Lalam-panorenana sy ny Andrim-panjakana ary ny tokony hifehezan’ny vahoaka ireo dingana sy ny vokatsoan’ny fampandrosoana ara-toekarena.

1/ Ny fanajana ny Lalampanorenana sy ny Andrimpanjakan’ny Repoblika

Ireo fifidianana rehetra hatrizay, na dia ny tamin’ny faha 20 Desambra 2013 (filoha sy ny mpanao lalàna) aza,

dia tsy nisy nahavita nandamina ny Andrim-panjakana, na namerina ny fanarahan-dalàna isan-tsokajiny ary koa nitondra vahaolana ho an’ny tsy fandriampahalemana, kanitarika nankany amin’ny fahantrana lalina. Tsy

namaha ihany koa ireo olana fototra mikasika ny tsy fanajan’ny vahoaka ireo lalàna fototra sy ny rafipitondrana

ary ny Andrim-panjakana izany. Manomboka etoana dia ilaina ny manangana ho avy ahafahann’ny tsirairay miaina ao anatin’ny fiaraha-monina mirindra na dia misy aza ny fahasamihafàna ary hanorina firenena iray tsy

mivaky.

Anisan’ireo fanazavana ny fiverimberenan’ny krizy politika teto Madagasikara ny fibahanan’ireo manam-

pahaizana sy manan-pahalalana ny ady hevitra hivoahana amin’ireny krizy ireny (1972, 1975, 1991, 2009, 2013

…) ka niafara foana tamin’ny fitsapan-kevi-bahoaka izay tsy niandanian’ny vahoaka. Voakiana amin’izany ihany koa ny fomba nanendrena ireo milaza fa solon-tenan’ny vahoaka izay tsy marim-pototra loatra ary tsy

nahazo ny fankatoavan’ireo vondrom-bahoaka ifotony. Noho izany dia dila foana ireo fotoana azo noararaotina

nahafahana nanatanteraka ny fampihavanana tena izy sy ny fanorenana ifotony marina teto Madagasikara. Nisy foana ny fanovana ny mpitondra fa tsy nahitana fiovan-drafitra, na ny fomba fitantanana, na koa ny

fampandraisan’andraikitry ny vahoaka. Tokony hiainga any amin’ny rafitra ifotony, dia ny fokontany, ny dinika

izay hampanjakàna ny fifanajana sy ny fifankahazoana.

Ny Firenena tan-dalàna dia midika fa ny vahoaka dia mandala tanteraka ny rafitra sy ny fifampitondràna eo

amin’ny fiaraha-monina. Mikasika ny fanorenana ny Repoblika, ny tanjona dia ny handrindrana ny fepetra maha-firenena maoderina amin’ny soa-toavina iraisana izay fototra iorenan’ny kolontsaina Malagasy. Avy

amin’izay no hivoitra ny rafim-piaraha-monina, ny lalàna fototra, ny dinan’ny fiaraha-monina, ny

fifandanjan’ny fitsinjarana ny harena, ny fanapariaham-pahefana miaraka amin’ny fanapariahana ny olona sy ny vola ary ny tekinika. Ny lalàna fototra dia tokony hiainga avy amin’ny loa-bary an-dasy sy ny ady hevitry

ny fokonolona eny amin’ny Fokontany izay rafitra voalohany, vao hiakatra eo amin’ireo solon-tenan’ny Komity

Nasionalin’ny Fampihavanana voafidy eo anivon’ny Distrika.

Na avy any avaratra, na avy any atsimo, na avy any atsinanana na avy any andrefana, ny fiaraha-monina

Malagasy dia samy mifototra amin’ny finoana an’i Zanahary avokoa. Na mpino na tsy mpino, ho an’ny Malagasy dia “ny Fanahy no maha-olona”. Amin’ny fomba fisainana repoblikana Malagasy, ny atao hoe laîka

dia tsy midika velively ho fandavana ny fivavahana akory, fa ny fanekena kosa ny fisian’ireo vahoaka samihafa

manana kolon-tsaina sy finoana tsy mitovy. Ho an’ny Malagasy, ny famaritana ny atao hoe “Repoblika laîka”, dia ny fanekena ny fahalalahana ara-pisainana anatin’ny fanajana tanteraka ny fahasamihafana sy ny fitoviana

eo amin’ny lafiny lalàna sy eo imason’ny fanjakana, nefa kosa tsy manaiky ny fihoaram-pefy. Izany dia mitarika

ny tsy tokony hironan’ny fitondram-panjakana amin’ny finoana iray, fa kosa ny tokony hahasarotiny azy dia ny fanamafisana ny fizarana ny soa iombonana sy ny soatoavina iraisana. Ho an’ny repoblika laîka dia tokony ho

ekena ny tsy fitovian’ny finoana sy/na ny kolontsaina ary azo atao tsara ny miaramonina ao anatin’ny faritra

iray voafehin’ny fananana iombonana, anatin’ny fanajana tanteraka ny finoana sy/na ny tsy fitovian’ny tsirairay avy.

Ireo vondrona rehetra izay manao sonia ity fifanarahana ity dia manaiky ny handala ireo hevitra fototra izay narovan’i Profesora ZAFY Albert ary resy lahatra fa ny Fampihavanam-pirenena sy ny Fanorenana ifotony ny

Repoblika no ivon’ny fanovàna an’i Madagasikara. Ny foto-kevitra iaingana dia ireo fivoriana rehetra

mifandraika amin’izany, indrindra fa ireo notarihin’ny FFKM tamin’ny taona 2013 sy 2015. Noho izany aorian’ny fifidianana filoham-pirenena dia hangatahana ireo Raiamandreny ao amin’ny FFKM mba hanaiky

handray an-tanana ny dingan’ny Fampihavanam-pirenena sy ny Fanorenana Ifotony ny Firenena sy ny

Repoblika.

Page 9: FIFANARAHANA MIKASIKA NY FAMPIHAVANANA, NY … · Ny famoronana orinasa (asa-tanana, koperativa, PMIE na rafitra hafa) ataon’ny tanora, ny zokinjokiny ary ny vehivavy dia amporisihina

9 DINIKE

Anterina fa tokony hiavaka tsara, an-kilany ny andraikitry ny fanjakana foibe izay iankinan’ny fiandrianam-

pirenena kaiadidian’ny Mpanatanteraka, ny Mpanao lalàna ary ny Mpitsara, etsy andaniny kosa dia ny tsy maintsy hanatanterahana ny Fampihavanam-pirenena sy ny Fanorenana Ifotony ny Firenena ary ny Repoblika,

miainga avy eny amin’ny fokontany (fokonolona) izay rafitra sosialy fototra. Izany hoe:

i) Hiavaka tsara ny andraikitry ny Fanjakana Foibe (Mpanatanteraka, Mpanao lalàna ary Mpampiantra lalàna) sy ny an’ny rafitra hifehy ny Fampihavanam-pirenena;

ii) Horafetina tsara ireo rijan-tenin-dalàna sy fepetra izay hametraka an’i Madagasikara hizotra any amin’ny

lalan’ny Fampivoarana iraisana sy ny Fampandrosoana mivelatra andraisan’ireo tompontany anjara; iii) Hampanaiky amin’ny fomba demokratika Lalam-panorenana iray vaovao izay niainga avy eny ifotony

ary nandraisan’ny vahoaka anjara mavitrika;

iv) Hamafisina ny fampivoarana sy fampandrosoana amin’ny alalan’ny:

- Famerenana indray ny tena fahefam-panjakana;

- Fametrahana vinan-drafitra iraisana sy maharitra;

- Fandrindrana ny politikam-panjakana ao anatin’ny rafi-panapariaham-pahefana ary ny fametrahana ny

Fokontany ho isan’ny rafitry ny fitsinjaram-pahefana ;

- Ny fahombiazan’ny fitantanam-bolam-panjakana ;

- Ny fanapariaham-pahefana tena izy;

- Ny fanamafisana ny enti-manana mba hahafahana miaro ny olona sy ny fananany.

v) Hametraka fampihavanam-pirenena marina miainga eny ifotony dia ny fokonolona ka ny fokontany no mikarakara izany. Noho izany ny mpanao sonia rehetra dia manamafy eto indray ny fandraisany

andraikitra sy ny fametrahany ireo fomba rehetra hitondra mankany amin’ny fifampitokisana, ny

filaminan-tsaina, ny fandriampahalemana ary fitoniana maharitra; vi) Hitantana ny fifandimbiasam-pahefana amin’ny fanajana ny fifanarahana anatiny sy iraisam-pirenena

ary hikaroka hatrany ireo fomba tsara indrindra mety hanamaivana ny fiantraikan’ny krizy eo amin’ireo

vondron’olona tena marefo; vii) Hametraka tontolo tony ho any amin’ny fananganana rafi-dalam-panorenana vaovao sy ireo rafitra

repoblikanina sy demokratika eken’ny rehetra anatin’ny fotoana ifanarahana sy araka ny tokony ho izy.

Noho izany, ny Lalam-panorenana dia tokony ho havaozina hifanaraka amin’ny zava-misy marina eto amin’ny firenena sy hifototra amin’ireo hevitranivoitra avy amin’ireo loabary andasy sy ady hevitra teny anivon’ny

Fokontany sy ny ambaratongam-pandinihan-kevitra samihafa, indrindra indrindra teo amin’ny sehatra

nasionaly, dia ny Filankevitra Nasionalin’ny Fampihavanana izany.

Ho an’ireo mpanao sonia ity fifanarahana ity, noho ny antony ara-bola sy fandaminana ny andrim-panjakana,

ao anatin’ny Lalam-panorenana havaozina aorian’ny fifidianana filoha, dia ny Antenimieram-pirenena irery ihany no Fahefana mpanao lalàna manerana ny nosy. Misy ampahany amin’ny fahaiza-manao kosa anefa

hapetraka eny anivon’ny Mpanolon-tsaim-paritra (Mpanao lalàna eny anivon’ny Faritra). Ary misy kosa

ampahany amin’io fahaiza-manao io hafindra eny amin’ny Filan-kevitra Nasionaly ho an’ny Fampihavanana (CNR).

Manaraka izany, dia ampiharina tanteraka ny fanapariaham-pahefana tena izy : ankoatran’ny fahefana izay ananan’ny Fanjakana Foibe iankinan’ny fiandrianam-pirenena (toy ny fiarovana, ny vola sy ny fitantanam-

bolam-panjakana, ny filaminam-bahoaka, ny diplomasia, ny fitsarana) izay tsy maintsy eo ambany fiahian’ny

Governemanta Foibe ka noferana ho 15 ny isan’ny mpikambana any aoriana. Mba hifanaraka amin’ny politikam-panjakana nasionaly, dia misy kosa ny fanapahan-kevitra izay mikasika ny fampandrosoana, ny

toekarena, ny hetra, ny fandriampahalemana, ny ara-tsosialy, ny kolontsaina, ny tontolo iainana, ny fanajariana

ny tany, ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena sy ny sehatra hafa izay idiran’ny fitsinjaram-pahefana izay haparitaky ny Fanjakana foibe mankeny amin’ny rafitra mpanatanteraka isam-paritra.

2/ Ny fifehezana ireo dingana sy ny vokatsoa ateraky ny fampandrosoana

Ny isam-batan’olona no fiatombohana sy fiafaran’ny hetsika fampandrosoana rehetra ary izy ihany koa no

mpandray anjara sady mpisitraka. Ny tanjona dia ny fampandrosoana ny famokarana amin’ny sehatra rehetra izay tsy tokony hisaraka amin’ny hakingan-tsaina hoentina hampivoarana ny fahatsaram-piainanan’ny mponina

amin’ny ankapobeny sy indrindra ny maha-olona. Tokony heverina manokana ny tontolo mampiavaka ny

Firenena sy ny fitrandrahana araka ny tokony ho izy, ny fahaiza-manaon’ny olona sy ny harena voa-janahary ary ny toerana misy ny firenena eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena: paikady ara-jeografika sy politika ara-

jeografika.

Page 10: FIFANARAHANA MIKASIKA NY FAMPIHAVANANA, NY … · Ny famoronana orinasa (asa-tanana, koperativa, PMIE na rafitra hafa) ataon’ny tanora, ny zokinjokiny ary ny vehivavy dia amporisihina

10 DINIKE

Ny isam-batan’olona no tokony ho fototry ny fampandrosoana. Tokony hamafisina arak’olona, ara-bola, ara-pitaovana sy ara-tekinika ihany koa ireo seham-pampianarana sy seham-pikarohana mifantoka amin’ny harena

voa-janahary sy ny fiantraikany amin’ny tontolo iainana sy sosialy, indrindra ireo mahakasika ny harena

ankibon’ny tany, ny angovo, ny fihavaozan’ny ara-indostria sy ara-teknolojika. Ny rafi-pampianarana dia tokony hamaly ny filàn’ny tetik’asa madinika fototraka hatramin’ny filàn’ny ara-pahaiza-manao avo lenta ao

amin’ny firenena. Izany dia mba hahafahantsika mahatratra ny fanamby sy mba hahaizana mifehy ny tontolo

voa-janahary ary hanokafana ny lalana eo amin’ny tsena anatiny sy ivelany. Madagasikara dia manana adidy hanofana olona hanana ny fahaiza-manao marolafy avo lenta ary tokony hamatsy vola amin’ny fotodrafitrasa

hiaka farany afaka mamaly ireo filàna ho avy mifantoka manokana amin’ireo harena voa-janahary azo avaozina

sy tsy azo avaozina.

Ny fampandrosoana maharitra sy iarahana no tanjona lehibe indrindra tsy maintsy ho tratrarina, izay mitarika

ny : (i) Famolavolana mazava tsara ny atao hoe fiaraha-monina malagasy ao anatin’ny fanajàna tanteraka ny

fahasamihafàna;

(ii) Fanehoana mazava tsara ny tanjona sy ny sehatra iorenan’ny fampivoarana sy Fampandrosoana, manaja sy manome lanja izay rehetra iombonana na mampiavaka ny faritra tsirairay. Izany dia mitaky

politika ankapobeny matotra, fototry nyfandrindranaireo paik’ady itondràna ny sehatra isan-tsokajiny

avy.

Izany politika izany dia tokony ho voarakitra hifanaraka amin’ny fifaninanana sy ny fanatontoloana ara-toe-

karena ary ny fanamafisana ny fiaraha-miasan’ny firenena roa, rezionaly sy iraisam-pirenena. Etsy andaniny, ny Fanjakana Foibe dia tokony handroso dinam-piaraha-monina iaraha-midinika amin’ireo mpisehatra sy

mpiara-miasa rehetra mba hahafahana manome lanja ny fandraisan’anjaran’ireo tompon-tany sy mba

hahafahana maminavina mialoha izay mety ho fiantraikan’ireo fanovàna ho atao anatin’ny fotoana fohy.

Tsy sanatria isika handà nyfifandraisana sy ny fiaraha-monina iraisam-pirenena nefa kosa isika Malagasy irery

ihany no mahafantatra izay làlam-pivoarana mety amintsika, isika irery ihany no tokony hametraka ireo tetika sy paik’ady ara-ekonomika izay hitondra antsika any amin’ny tena fampandrosoana marina sy eken’ny rehetra,

na eo anivon’ny isam-batan’olona na eo anivon’ny tanindrazana. Ny fialàna amin’ny ziogan’ny fanjanahana dia

tsy mbola tanteraka ho antsika raha tsy miverina madiodio amintsika ireo nosikely manodidina “Iles Eparses” sy ny Tromelin.

Tokony ho azontsika sy fehezintsika ireo kajikajy isan-karazany mikasika ny fifandraisana iraisam-pirenena iainantsika, tokony ho ekentsika ihany koa ny tantarantsika fa tsy mijanona ao anatin’ny tarazon’ny

fotopisainan’ny voazanaka. Madagasikara dia manana ny fahaizana manokana sy ny singam-pitiavan-

tanindrazana mba hahatratrarana ireo tanjona hampandroso, hampivoatra ary hampivelatra ka hahafahantsika mifehy tsara ireo kajikajy sy paikady ary ny fandrindran’ny hery misy amin’ny firenena rehetra amin’izao

fotoana izao. Noho izany, isika dia mila mahay mifandray amin’ireo mpiara-mpiombon’antoka ara-bola sy ara-

tekinika (PTF), mila miara-miasa koa amin’ireo mpampiasa vola mivantana avy any ivelany (IDE). Nefa tokony ho tohanana sy omena lanja koaireo mpampiasa vola tera-tany (IDN) amin’ny fametrahana foto-drafitr’asa

hanampiana ireo izay sahy mandray andraikitra amin’ny fampandrosoana ara-toe-karena eny ifotony, ohatra eo

amin’ny sehatry ny asa-tanana, ny tao-zava-baventy ary ireo asa izay mety hamorona fiharian-karena vaovao.

Avy amin’izay lafiny izay no handrafetana ny politikan’ny fanarenana sy ny fanandratana ny toe-karena,

hovoizina mandritra ny fampielezan-kevitra ary ho tanterahina rehefa tonga eo amin’ny fitondrana. Io politikan’ny fanarenana sy ny fanandratana ny toe-karena io no havadika ho vinam-paikady sy lalan-kodiavina

ara-toe-karena ao anatin’ny “Madagascar Action Plan II” na “MAP II”.

Mikasika ny vina ara-toe-karenan’i Madagasikara, misy laharam-pahamehana ho faritana mazava tsara, toy:

- Ny fahaleovan-tena amin’ny resaka angovo : Ireo modelim-pijery ara-tekinika sy ara-toe-karena araka

ny toetr’andro mba hahatratrarana ny fahaleovan-tenan’ny firenena mikasika ny angovo, dia tsy

maharesy lahatra loatra na dia maro aza ny fandalinana sy fikarohana natao taloha na teto antoerana

izany na avy any ivelany. Mba hiantohana ny fahaleovan-tena mikasika ny angovo, tokony hasandrahaka kokoa ny karazan’angovo ampiasaina izay miainga amin’ireo harena voajanahary efa

misy eto Madagasikara mba hampihena ny mety fahatapahana noho ny fiovaovan’ny toetrandro: hery

azo avy amin’ny masoandro, azo avy amin’ny rano, azo avy amin’ny arin-tany, azo avy amin’ny fako,

Page 11: FIFANARAHANA MIKASIKA NY FAMPIHAVANANA, NY … · Ny famoronana orinasa (asa-tanana, koperativa, PMIE na rafitra hafa) ataon’ny tanora, ny zokinjokiny ary ny vehivavy dia amporisihina

11 DINIKE

azo avy amin’ny hidrôzena, sns. Ny antsoina hoe angovo madio dia mila faritana tsara satria

mialohan’ny ahazoana ny entana efa vita hamidy, ny akora fototra anamboarana azy, ohatra, ny angovo azo avy amin’ny rivotra sy ny masoandro dia alaina avy any ambanin’ny tany ary ny fitrandrahana azy

dia mandoto. Maninona, ohatra, i Madagasikara anio no mividy entana efa vita amin’ireo angovo avy

amin’ny rivotra sy avy amin’ny masoandro ireo nefa ny akora fototra rehetra dia ananantsika avokoa. Ny arikarena natoraly, na ny azo aodina na ny tsy azo aodina mivantana, dia kitro ifaharan’ny fanovàna

ara-indostrialy an’I Madagasikara. Noho izany dia isika irery ihany, ohatra, no tokony hitrandraka ireo

harena ao ambanin’ny tanintsika ary hanodina izany eto an-toerana ihany, mba ahatongavana tanteraka amin’ny fahaleovan-tena ara-angovo.

- Ny manabevoa ny tontolo iainana : Ny sehatry ny zava-boary azo atao fanafody dia sehatra iray lehibe

tokony ho trandrahana ihany koa indrindra indrindra eo amin’ny lafiny fikarohana sy famokarana avo

lenta. Afaka omen-danja kokoa ny famokarana fanafody ara-indostrialy mba hanamora ny fomba

fiainan’ny vahoaka eo amin’ny lafiny ara-pahasalamana.

- Ny rano dia aina, io koa dia harena stratejika tokony hananan’i Madagasikara politika voafehy sy

voarafitra tsara. Ny fitantanana sy ny fitrandrahana ny rano dia zava-dehibe tokoa. Ohatra, ireo dobon-drano lehibe (Mantasoa sy Tsiazompaniry) dia fanamboarana tamin’ny fanjanahan-tany avokoa. Io dia

asa tena vaventy izay tokony hapetraka sy halamina ifotony araka ny tokony ho izy.

Mba hahafahana miditra bebe kokoa ao amin’ny rojon-tsanda iraisam-pirenena mikasika ny fitrandrahana ny

entana azo ahodina na amin’ny habetsany na amin’ny kalitaony izay mifandray amin’ny harena voajanahary

ohatra ny harena ambanin’ny tany, dia tokony hametrahana politika famporisihina mikasika ny hetra. Madagasikara dia tokony hanome lanja ny fikarohana mikasika ny harena ambanin’ny tany, ny fitana ara-

teknolojika ary ny fitrandrahana vaventy.

Tokony hampifandraisina amin’ny adi-hevitra stratejika ireo mpanapa-kevi-panjakana, ireo ivom-pikarohana,

ireo mpanao tao-java-baventy tompontany sy vahiny, ny fahaiza-manao misandrahaka nasionaly eto antoerana

sy avy any ivelany (teknisianina nahavita fianarana ambony, siantifika, ekonomista, mpitantam-bola, mpahay hetra, mpahay lalàna, sns.) ary koa ireo vahiny raha toa ka ilaina (fitana ara-teknolojika sy ny fahaiza-manao).

Ny tompontany no tokony hamaritra ny paik’ady mikasika ny asa vaventy mifanaraka amin’ny harena

voajanaharin’i Madagasikara mba hahafahana miantoka ny fahaleovan-tena momba ny angovo.

Araka izany, ny fototra iorenan’ity fifanarahana ity dia manodidina ny :

- Fametrahana Lalampanorenana mirindra sy maharitra ialohavan’ireo dingana rehetra mifandraika

amin’ny Fampihavanam-pirenena sy ny Fanavaozana Ifoton’ny Firenena sy ny Repoblika avy amin’ny alalan’ny fametrahana ny Antenimiera masomandidy ;

- Fametrahana firenena manana ny maha izy azy;

- Fanajàna ny demokrasia;

- Fanapariaham-pahefana no fototra ijoroan’ny fanavaozana ny firenena;

- Fanjakana tan-dalàna;

- Fandrindram-pahefana eo anivon’ireo rantsa-mangaikam-pitondrana;

- Fahaiza-mitantana;

- Fangaraharahana sy ny famerenan-doha eo amin’ny asam-panjakana;

- Fitondran-tena modely eo amin’ny fainana ara-politika sy amin’ny ankapobeny;

- Fampiharana ny lalàna mba ho ny famelan-keloka tsy hidika hoe tsimatimanota;

- Politika tsara lahatra sy azo ampiharina mikasika ny fanarenana sy ny fanandratana ny toe-karena mampiditra vinam-paik’ady sy ny MAP II.

Ireto manaraka ireto no votoatin-kevitra ifandraisan’ny Fampihavanam-pirenena sy ny Fanavaozana ifotony ny firenena sy ny Repoblika araka ny hevitr’ireo mpanao sonia an’ity fifanarahana ity.

Noho izany dia voarakitra ato anatin’ity fifanarahana ity ny hevi-dehiben’ny politika ankapoben’ny firenena.

*

* *

Page 12: FIFANARAHANA MIKASIKA NY FAMPIHAVANANA, NY … · Ny famoronana orinasa (asa-tanana, koperativa, PMIE na rafitra hafa) ataon’ny tanora, ny zokinjokiny ary ny vehivavy dia amporisihina

12 DINIKE

TOKO I :

FIANTRAIKAN’NY FIFANARAHANA EO AMIN’IREO MPANAOSONIA

Teboka voalohany : Amin’ity fifidianana ho filoham-pirenena 2018 ity dia tokony ho atao vaindohan-

draharaha ny fifampizarana ireo hevi-dehibe mikasika ny firafitry ny Lalam-panorenana sy ny Andrim-

panjakana, izany dia mifandrindran-dàlana amin’ny lamin’asa mahakasika ny fanarenana sy ny fanandratana ara-toe-karena avy amin’ny alalan’ny vinam-paik’ady sy vina ara-bola ary ny “Madagascar Action Plan II”

(MAP II).

Noho izany, ireo rehetra izay manao sonia ity fifanarahana mikasika ny fampihavanana, ny fampivoarana,

ny fampandrosoana ary ny fitantanana ity dia miray tendro fa dia manohana ny filatsahan’:

Andriamatoa RAVALOMANANA Marc

Teboka 2 : Ny tanjon’ity fifanarahana izay fifanarahana politika ity dia ny fanohanan’ireo olom-boafidy, vondrona politika, fikambanana, olobe sy olon-tsotra mba hampivoitra ny maha-olona Malagasy ary mba

hampamirapiratra an’i Madagasikara eo imason’izao tontolo izao.

Teboka 3 : Mba hahazoana ny fahamarinan-toeran’ny Lalam-panorenana, ny Andrim-panjakana sy ny politika

ary mba hahatonga ny tontolo ara-tsosialy sy ara-ekonomika hivoatra sy hamorona harena ary mba hahafahana

mametraka ilay tranobe iombonana Madagasikara any amin’ny lalan’ny fampandrosoana sy fampivoarana dia tsy azo ihodivirana ny Fampihavanam-pirenena, Fanavaozana ifotony ny Firenena sy ny Repoblika ary ny

fametrahana ny rafitry ny Lalampanorenana eken’ny rehetra.

TOKO II :

NY ANDRIMPANJAKANA AMIN’NY ANKAPOBENY

Teboka 4 : Ireo rehetra manao sonia dia manamafy sy manaiky fa hiaraka hiasa ka hitady vahaolana miavaka, iraisana, tsy manavaka, azo ampiarina, maharitra ary eken’ny rehetra mba tsy hiverenan’ny olana politika eto

Madagasikara intsony, ary koa hanatanteraka izay voalazan’ity fifanarahana ity.

Ny tanjona izany dia ny mba hamahana ireo olana maro sosona eo amin’ny lafiny ara-politika, ekonomika,

sosialy sy koltoraly izay misakana ny fampandrosoana, ary ny mba hamaritana fomba fitantanana politika

vaovao manaja tanteraka ny demokrasia, ny fitoviana, ny fifandimbiasam-pahefana, ny fampivoarana iarahana, ary ny fampandrosoana miankina amin’ny fivelaran’ny maha-olona.

Teboka 5 : Ny firafitry ny Repoblika novinavinain’ireo mpanao sonia dia toy izao : -Ireo Andrimpanjakana foibe

• Mpanatanteraka :

. Ny Prezidan’ny Repoblika, Filohampirenena

. Ny Governemanta foibe tarihin’ny “Praiministra”, lehiben’ny Governemanta

• Mpanao lalàna . Ny Antenimieram-pirenena

• Mpitsara

. Ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana (HCC)

. Ny Fitsarana Faratampony sy ireo Fitsarana telo

-Ny Andrim-panjakana misahana ny Fampihavanam-pirenena sy ny Fanavaozana Ifotony ny Firenena sy ny

Repoblika:

• Ny Filan-kevitra Nasionalin’ny Fampihavanana (CNR) -Ireo Vondrom-bahoaka Itsinjaram-pahefana :

• Faritra : Mpanatanteraka eo amin’ny faritra tarihin’ny Lehiben’ny Faritra => rihana3 )

• Kaominina : ) ) Fi

. Ambonivohitra ) => rihana 2 ) re . Ambanivohitra ) ) ne

• Fokontany : andry fototry ny fokonolona => rihana1 ) na

-Ny Rafitra Mpanara-maso ny Fifidianana :

• Vaomiera Nasionalin’ny Fifidianana (CNE)

Page 13: FIFANARAHANA MIKASIKA NY FAMPIHAVANANA, NY … · Ny famoronana orinasa (asa-tanana, koperativa, PMIE na rafitra hafa) ataon’ny tanora, ny zokinjokiny ary ny vehivavy dia amporisihina

13 DINIKE

-Ny Rafitra Filan-kevitry ny Repoblika:

• Fiaraha-monina :

. Mpanolo-tsaina ara-ekonomika, sosialy, koltoraly sy tontola iainana (CESCE)

• Fiarovana sy filaminana . Mpanolo-tsaina mikasika ny filaminana nasionaly sy ny fiarovam-pirenena (CSNDN)

Ireo Andrim-pajakana voalaza ireo dia azo ampiana sady azo amboarina, fa ireo no hiaingan’ny adihevitr’ireo mpanao sonia mahakasika ireo Lalampanorenana voasoratra eo amin’ny teboka faha 7 etsy ambany.

Teboka 6: Ny fanapariahana ny olona, ny vola ary ny fitaovana no ivon’ny politikam-panjakana sy ny Andrim-panjakana. Izany dia mitaky fandraisan’anjara mivantan’ny rehetra mba hamenoana ny isan’ny olona ilaina sy

ny fahaiza-manao tadiavina.

Teboka 7 :Tsy mihoatra ny 15 andro aorian’ny velirano ataon’ny Filoha vaovao voafidy ny fotoana

hikarakarana ny fanavaozana ny Firenena izay mizotra mankany amin’ny fifidianana Lalam-panorenana misy

safidy maro (tolokevitra A, B, C sy D raha be indrindra) sy ny fametrahana lamin-dalam-panorenana vaovao ara-demokratika.

Teboka 8 : Ho fehiny, efatra no laharam-pahamehana tsy azo idivirana ho an’i Madagasikara :

- ny Fampihavanam-pirenena sy ny fanavaozana ifotony ny Firenena sy ny Repoblika izay manana tanjona azo singanina manoloana izany dia ny fiaraha-mivelona, ny maha mari-toerana ny Andrim-

panjakana, ny filaminam-bahoaka, ny fanafohanana ny tsy maty manota, sns. ;

- ny fizarana ny amin’ny fitovian-jo, ny fitoviana lenta sy andraikitra amin’ny lafiny rehetra ary ny

firaisan-kina ;

- ny fanajana toy ny anakandriamaso ny Fanjakana tan-dalàna sy tsara tantana ; ary

- ny fanarenana ara-toe-karena sy ny fampivoarana ny ari-karena sy ny fampandrosoana (MAP II).

TOKO III

MOMBA NY FAMPIHAVANAM-PIRENENA SY NY FANAVAOZANA IFOTONY

NY FIRENENA SY NYREPOBLIKAARY NY FITSAPANKEVIBAHOAKA

MIKASIKA NY LALAMPANORENANA MISY SAFIDY MARO

Teboka 9 : Hapetraka ny Filankevitra Nasionalin’ny Fampihavanana (CNR) izay hanatontosa ny

Fampihavanam-pirenena sy ny Fanavaozana Ifoton’ny fanjakana ary ny Repoblika.Ny Filankevitra Nasionalin’ny Fampihavanana (CNR) dia Sehatra masomandidy amin’izay rehetra mikasika ny

Fampihavanam-pirenena sy ny Fanavaozana Ifoton’ny Firenena sy ny Repoblika.

Mba hanatanterahany izany, ny Filankevitra Nasionalin’ny Fampihavanana (CNR) dia manana ireto rafitra ireto eo ambany fitantanany:

- Vaomieran’ny Fahamarinana, Fifamelana ary Fampihavanana;

- Vaomieran’ny Lalàna sy Fanonerana ireo niharam-boina ;

- Vaomieran’ny Fanavaozana Ifotony ny Firenena sy Repoblika.

Teboka 10 : Ny fampiharana ny Lalam-panorenana (Jereo ireo teboka 7 sy 9 laharana 1 etsy ambony), izay azo

avy amin’ny asa natao nanditry ny adihevitra mikasika ireo drafitra teny anivon’ny fokontany, ka nanolorana karazany vitsivitsy, dia hipaka hatramin’ny fametrahana antenimiera masomandidy, izay tsy inona fa ny Filan-

kevitra Nasionalin’ny Fampihavanana.

Ny fitsapan-kevim-bahoaka mikasika ny Lalam-panorenana dia ho atao farafahelany 15 volana aorian’ny datin’ny fianianan’ny Filohan’ny Repoblika.

Teboka 11 : Rehefa vita ny fifidiana filoham-pirenena, ireo mpanao sonia ity fifanarahana ity dia manaiky fa

hanamafy ny fiaraha-miaina miaraka sy hiantoka ny fahamarian-toeran’ny Lalam-panorenana, ny andrim-

panjakana sy ny politikan’ny repoblika izay hita taratra ao amin’ny Fampihavanam-pirenena sy ny Fanavaozana ifotony ny Firenena sy ny Repoblika.

Ny hevidehibe momba an’io politika io, izay voafaritra ao amin’ny Tovana 1, dia tsy afaka misaraka amin’ity fifanarahana ity.

Page 14: FIFANARAHANA MIKASIKA NY FAMPIHAVANANA, NY … · Ny famoronana orinasa (asa-tanana, koperativa, PMIE na rafitra hafa) ataon’ny tanora, ny zokinjokiny ary ny vehivavy dia amporisihina

14 DINIKE

TOKO IV :

MOMBA NY FIRAISANKINAN’NY AMBARATOGAN-TAONA SAMIHAFA

Teboka 12 : Ireo mpanao sonia an’ity fifanarahana ity dia manaiky hikarakara politikan’ny firaisan-kinan’ny

samihafa sarangan-taona eo anivon’ny firenena.

Ny ambaindain’izany politika izany dia ho velabelarina ao amin’ny Tovana 2 izay fizarana tsy afaka misaraka

amin’ity fifanarahana ity.

TOKO V :

MOMBA NY TANY TAN-DALANA, NY FITANTANA MAHOMBY, NY

FITONDRAN-TENA AMIN’NY ANKAPOBENY SY ARA-POLITIKA

Teboka 13: Ireo mpanao sonia ity fifanarahana ity dia manaiky fa hanentana, hiaro ary hampanaja manerana ny tany sy ny fanjakana ny atao hoe : tany tan-dalàna, ny fitantanana mahomby, ary ny fitondran-tena mahomby,

atao ho ohatra eo amin’ny fiainana amin’ny ankapobeny sy ny ara-politika.

Amin’izany izy ireo, dia manaiky ny handray sy hampiasa ireo tsoa-kevitra sy fenitra izay voavelabelatra ao

aminy Tovana 3 izay fizarana tsy afaka misaraka amin’ity fifanarahana ity.

TOKO VI :

MOMBA NY “MADAGASCAR ACTION PLAN II”

Teboka 14: Ireo mpanao Sonia an’ity fifanarahana ity dia maka andraikitra feno fa hikitika sy hampifandrindra ho araky ny toetr’andro sy ny zava-misy ankehitriny ny Madagascar Action Plan II (MAP II). Tsy inona izany

fa ny fametrahana mazava ny politika matotra eo amin’ny ara-ekonomika, Ny fampivoarana ary ny

fampandrosoana ka manome lanja ny kajikajy ara-jeopolitika sy ara-jeostratejika ankehitrio.

Ny MAP no mamepetra ny vina stratejikan’ny politika ankapobeny, ny famoronana asa, ny fampivoarana sy ny

fampandrosoana, izay raketina ao anatina tondrozotra ara-ekonomika, ara-tsosialy, ara-kolotoraly sy ny isam-batan’olona.

Manoloana izany dia mandray andraikitra ireo mpanao sonia hanatanteraka sy hametraka ireo fepetra sy lamina voazava ao amin’ny Tovana 4, izay singa mangaika an’ity Fifanarahana ity.

Natao teto Antananarivo, faha

Ny Mpifaninana amin’ny fifidianana ho Filohan’ny Repoblika 2018 ho an’ny

Fampihavanana, ny Fampandrosoana, ny Fampivoarana ary ny Fitantanana

RAVALOMANANA Marc

Ho an’ny Ho an’ny

Madagascar Développement et Ethique (MDE) Tiako i Madagasikara (TIM)

ANDRIAMAHEFAMPARANY Olivier Donnat

Sekretera Jeneraly

Page 15: FIFANARAHANA MIKASIKA NY FAMPIHAVANANA, NY … · Ny famoronana orinasa (asa-tanana, koperativa, PMIE na rafitra hafa) ataon’ny tanora, ny zokinjokiny ary ny vehivavy dia amporisihina

15 DINIKE

Page 16: FIFANARAHANA MIKASIKA NY FAMPIHAVANANA, NY … · Ny famoronana orinasa (asa-tanana, koperativa, PMIE na rafitra hafa) ataon’ny tanora, ny zokinjokiny ary ny vehivavy dia amporisihina

16 DINIKE

Page 17: FIFANARAHANA MIKASIKA NY FAMPIHAVANANA, NY … · Ny famoronana orinasa (asa-tanana, koperativa, PMIE na rafitra hafa) ataon’ny tanora, ny zokinjokiny ary ny vehivavy dia amporisihina

17 DINIKE

IREO TOVANA :

FIZARANA TSY AFAKA MISARAKA AMIN’ITY

FIFANARAHANA MIKASIKA NY FAMPIHAVANANA,

NY FAMPIVOARANA, NY FAMPANDROSOANA ARY

NY FITANTANANA

Page 18: FIFANARAHANA MIKASIKA NY FAMPIHAVANANA, NY … · Ny famoronana orinasa (asa-tanana, koperativa, PMIE na rafitra hafa) ataon’ny tanora, ny zokinjokiny ary ny vehivavy dia amporisihina

18 DINIKE

Page 19: FIFANARAHANA MIKASIKA NY FAMPIHAVANANA, NY … · Ny famoronana orinasa (asa-tanana, koperativa, PMIE na rafitra hafa) ataon’ny tanora, ny zokinjokiny ary ny vehivavy dia amporisihina

19 DINIKE

TOVANA 1 :

IREO ANDRIMPANJAKANA SY RAFITRA VINAVINAINA AMIN’NY

FAMARITANA NY FANOVANA EO ANIVON’NY

LALAMPANORENANANA AORIAN’NY FIFIDIANANA HO FILOHA

TOKO I :

NY ANDRIMPANJAKANA FOIBE

Teboka voalohany : Ny mpikamban’ireo Andrim-panjakana sy rafi-panjakana isan-tsokajiny dia tokony

hanana fahavononana hiara-hientana mba hampisy ny fahatoniana ara-politika sy ny fampandrosoana mirindra mandàla ny lalànan’ny fiaraha-monina.

Teboka 2 : Ny mpikamban’ireo Andrim-panjakana sy ny rafi-panjakana voasokajy ato anatin’ity fifanarahana ity dia afaka ahato amin’ny asany noho ny fahadisoana goavana voaporofo mahakasika ny tsy fanajàny ny

Lalam-panorenana, na koa famadihana avo lenta ny Repoblikan’i Madagasikara noho ny tombotsoana firenena

hafa vahiny, na koa fahatratrarana azy ambodiomby nanao kolikoly, na koa fahatratrarana azy ambodiomby nanao heloka bevava tsy manaraka ny tombotsoa ambonin’ny firenena. Mbola ambonin’izay ny mety ho

fanenjehan’ny fanjakana Malagasy azy eny amin’ny fitsarana.

Ny drafitra Lalam-panorenana haroson’ireo mpanao sonia an’ity fifanarahana ity dia tokony hanamora ny rafitra

eo anivon’ny fitsarana. Noho izany dia tsy misy intsony ny tsimatimanota, tsy misy ny andraikitra na toerana

ananana na asa na fahefana, na fanavahana manokana, na sata manokana, tsy misy olona intsony ambonin’ny fanjakana fa ny rehetra dia mety ho enjehin’ny fitsarana avokoa.

Teboka 3 : Tsy misy asa ao anatin’ny Andrim-panjakana sy rafim-panjakana ka azo atambatra afa tsy amin’ny asam-pampianarana ihany.

Ny isan’ireo mpikambana eo anivon’ny kabinetra na mpanatanteraka na mpanao lalàna dia ho voafetra.

MOMBA NY RAFITRA MPANATANTERAKA FOIBE

Teboka 4 : Ny olona manana asa ao amin’ny rafitra Mpanatanteraka Foibe dia tsy mahazo manao ny asan’ny

olom-boafidy eo amin’ny rafi-panjakana, tsy mahazo misolo-tena anton’asa tsy miankina amin’ny fanjakana, tsy mahazo manana raharaha mivantana any amin’ny rafim-piangonana, tsy mahazo mampiseho firehana

politika mivantana, tsy mahazo manao asam-panjakana na asa hafa andraisan-karama ankoatran’ny

fampianarana.

Teboka 5 : Ireo ivom-panapahan-kevitra ao amin’ny rafitra mpanatanteraka foibe an’ny fanjakana, toy izao ny

filaharany araka ny arofenitra :

1 – Ny Filan-kevitry ny Minisitra sy ny Lehiben’ny Faritra, 2 – Ny Filan-kevitry ny Minisitra,

3 – Ny Filan-kevitry ny Governemanta.

Ny Filan-kevitry ny Minisitra sy ny Lehiben’ny Faritra dia ny Filoham-pirenena, Filoham-panjakana, no

mitarika azy. Io no fahefana faratampon’ny fanjakana manapaka ny fiheverana sy ny pitsopitsony rehetra

momba ny maha-mari-pototra an’ireo politika ankapobeny sy ny fitantanam-bola eo anivon’ny firenena sy eny anivon’ny faritra. Ny Filan-kevitry ny Minisitra sy ny Lehiben’ny Faritra dia ahitana ireo mpikambana ao

amin’ny governemanta rehetra izay tarihin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, miampy ny

Lehiben’ny Faritra voafidy rehetra.

Baiko avy amin’ny Filoham-pirenena, rehefa avy nangatahana hevitra avy amin’ny governemanta izay eo

ambany fiandraiketan’ny Praiminisitra, sy avy amin’ny Lehiben’ny Faritra voafidy, no hivorian’ny Filan-kevitry ny Minisitra sy ny Lehiben’ny Faritra, ka tsy maintsy indroa isan-taona no anatanterahana izany, toy

izao manaraka izao :

Page 20: FIFANARAHANA MIKASIKA NY FAMPIHAVANANA, NY … · Ny famoronana orinasa (asa-tanana, koperativa, PMIE na rafitra hafa) ataon’ny tanora, ny zokinjokiny ary ny vehivavy dia amporisihina

20 DINIKE

- Ny fivoriana voalohany dia ny Alarobia fahatelon’ny volana janoary amin’ny taona tanterahana. Amin’io dia ny fifandrifian-kasa sy ny fomba fandaminana ireo politika ara-toekarena, ara-tsosialy, ara-

panabeazana, ara-pilaminam-bahoaka, ara-panajariana ny tany, ara-pivoarana sy ara-pandrosoana, sns no

imasoana.

- Ny fivoriana faharoa dia ny Alarobia faharoan’ny volana septambra amin’iny taona iny ihany ka ny

fifandrifian-kasa sy ny fitsarana ny teti-bola (Drafitra momba ny Tetibolam-panjakana) mialoha ny fivorian’ny Antenimieram-pirenena momba ny tetibolam-panjakana.

Ireto voatonona manaraka ireto kosa dia manatrika ny Filan-kevitry ny Minisitra sy ny Lehiben’ny Faritra, ka mijanona ho mpanara-maso sy manam-pahaizana ambony ary mpanolo-tsaina fotsiny ihany, dia : ny

Governoran’ny Banky Foiben’i Madagasikara, ny tompon’andraikitra voalohany amin’ilay rafitra mahaleo-tena

voafaritry ny Teboka faha-6 voalaza esty ambany, ny Tale jeneralin’ny Tetibolam-panjakana, ny Tale jeneralin’ny Kitapom-bolam-panjakana, ny Tale jeneralin’ny Hetra ary ny Tale jeneralin’ny Fadin-tseranana.

Ny Filoham-pirenena dia afaka mampiantso ny fivoriana tsy ara-potoana ho an’ny Filankevitry ny Minisitra sy ny Lehiben’ny Faritra miaraka amin’ny lohahevitra ho dinihina amin’izany.

Ny Filan-kevitry ny Ministra dia tarihin’ny Filohan’ny Repoblika, Filoham-panjakana. Ka tsy maintsy ahitana ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta, anisan’izany ny Praiministra, Lehiben’ny Governemanta.

Ny Filan-kevitry ny Governemanta dia tarihin’ny Praiministra, Lehiben’ny Governemanta ka tsy maintsy hatrehan’ireo rehetra mpikambana ao amin’ny Governemanta.

Teboka 6: Mikasika ny fandaharan’asa tan-tsoroka mifandraika amin’ny fitantanana mahomby sy ny fanavaozana ny fomba fitondram-panjakana ary ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny fanjakana

mpanatanteraka, dia hisy rafitra mahaleo-tena izay eo ambany fiahian’ny Filoham-pirenena nefa

iandraiketan’ny Praiministra mivantana.

Ny Filohan’ny Repoblika, Filoham-pirenena

Teboka 7: Ny Filohan’ny Repoblika no Filoham-panjakana. Amin’ny alalan’ny latsa-bato andraisan’ny rehetra

anjara mivantana no isafidianana azy ka ny fe-potoana iasany dia voafetra ho dimy taona azo havaozina indray

mandeha monja.

Ny Governemanta Nationaly

Teboka 8 : Mandritry ny fotoana tetezamita hanaovana ny fizarana ny fahaiza-manao ho an’ireo vondrom-

bahoaka itsinjaram-pahefana izay haharitra telo (3) taona aorian’ny daty fianianan’ny Filohan’ny Repoblika

vaovao, Ny Governemanta Foibe dia hisy mpikambana 19 fara-fahabetsany miaraka amin’ny Praiministra, Lehiben’ny Governemanta.

Rehefa vita io telo taona izarana ny fahaiza-manao ho an’ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ireo dia

hihena ho 15 fara-fahabetsany sisa ny isan’ireo mpikamba ao amin’ny Governemanta Foibe miaraka amin’ny

Praiministra, Lehiben’ny Governemanta.

MOMBA NY RAFITRA MPANAO LALANA

Ny famaritana sy ny fanitarana ny fahefan’ny Antenimeram-pirenena

Teboka 9: Ny asa fanaovan-dalàna dia iandraiketan’ny Antenimieram-pirenena. Ny mpikambana dia fidiana

ihany koa amin’ny latsa-bato mivantana andraisan’ny rehetra anjara ka ny fe-potoana iasany dia voafetra ho dimy taona. Ny solombavambahoaka voafidy dia antsoina hoe « Depiote an’i Madagasikara ».

Voafetra ho 160 fara-fahabetsany ny isan’ireo mpikambana ao amin’ny Antenimieram-pirenena.

Ny Birao Maharitry ny Antenimieram-pirenena dia 9 farafahabetsany no isany.

Ny Antenimieram-pirenena dia afaka mamorona fara-fahabetsany vaomiera manokana 12.

Page 21: FIFANARAHANA MIKASIKA NY FAMPIHAVANANA, NY … · Ny famoronana orinasa (asa-tanana, koperativa, PMIE na rafitra hafa) ataon’ny tanora, ny zokinjokiny ary ny vehivavy dia amporisihina

21 DINIKE

Teboka 10: Ny depiote an’i Madagasikara voatendry ho mpikamban’ny Governemanta dia miala ho azy ho depiote an’i Madagasikara ary tsy afaka miverina mandritran’ny fe-potoana nifidianana azy. Ny mpisolo toerana

azy tao amin’ny lisitra nisy azy no maka ny toerany.

Ny mpikamban’ny ao amin’ny Birao Maharitra, ny Filohan’ny Vaomiera ary ny Filohan’ny Vondrona

Parlemantera irery ihany no mahazo fiara entina miasa manavaka azy mandritry ny fe-potoana fiasany. Ny

Filohan’ny Antenimieram-pirenena dia mahazo ireo tombontsoa mifandraika amin’ny laharam-boninahiny.

Mandritry ny fe-potoana iasany, ny Depiote an’i Madagasikara tsirairay avy dia afaka mividy amin’ny anarany manokana fiara iray tiany hampiasaina tsy hitataovana haban-tseranana sy TVA.

Teboka 11: Ny mpikamban’ny Antenimieram-pirenena dia afaka manana mpanolo-tsainan’ny antenimiera

(Attachés parlementaires) izay tokony ho nahavita fianarana hatreo amin’ny Master II, na ny mitovy amin’izany farafaharatsiny ka mifanaraka amin’ny andraikitry ny Vaomiera iasan’ilay Depiote an’i Madagasikara izany

diplaoma izany.

Ireo mpikamban’ny Antenimieram-pirenena dia afaka ihany koa maka izay mpanolo-tsaina tiany.

Teboka 12: Ny vondrona parlemantera iray dia tokony hisy mpikambana folo (10) farafahakeliny. Samy mamorona ny fitsipika anatiny ny vondrona tsirairay avy mba hamaritany ny fomba fiasany sy ny firafiny. Ny

fitanana an-tsoratra manamarina ny fiforonan’ny Vondrona parlemantera iray dia tokony hisy ny sonian’ny

mpikambana rehetra sy ilay fitsipika anatiny voateny tetsy aloha, ary tokony ho voarakitra an-tsoratra any amin’ny Sekretera Jeneralin’ny Antenimieram-pirenena mba hanan-kery.

Ny maha-mpikambana amin’ny vondrona parlemantera iray dia mandritra ny fe-potoana nahavoafidy ho solombavambahoaka. Ny vondrona parlemantera iray dia tsy maintsy fantatra amin’ny fomba ofisialy ao

anatin’ny 15 andro fara-fahatarany aorian’ny datin’ny fivoriana voalohan’ny Antenimieram-pirenena.

Ny depiote an’i Madagasikara dia tsy voatery hiditra ho mpikambana ao anaty vondrona parlemantera.

Vokatr’izay dia tsy misy tombotsoa hafa azony ankoatran’ny zo maha-parlemantera azy.

Ny depiote an’i Madagasikara rehetra izay niditra anatina vondrona parlemantera dia tsy maintsy manaraka ny

fitsipi-pifehezana ao anatin’io Vondrona misy azy io. Ny mpikambana tsirairay avy ao anatin’ny Vondrona iray

dia tsy maintsy manao sonia ary manisy ny soratra hoe “Voavaky sy ekena” eo ambanin’ireo pejy mirakitra ny fitsipi-pifehezana anatin’ny Vondrona izay hanaovana dika telo mitovy (original). Ny fanekena hiditra vondrona

parlemantera iray miaraka amin’ilay fitsipi-pifehezana voasonia dia omena ny Sekretera Jeneralin’ny

Antenimieram-pirenena. Raha tsy ampy hamoronana vondrona iray ny isan’ny olom-boafidy, dia afaka mitambatra amin’ny andiany hafa izy rehetra ireo ka mamorona vondrona vaovao.

Ny depiote an’i Madagasikara lany tsy manana antoko politika (mahaleo tena) dia afaka miditra ao anatina Vondrona Parlemantera efa misy na manangana Vondrona Parlemantera vaovao.

Raha toa ilay depiote ka tsy nanaja ny fifampifehezana voasoritra tao amin’ny fitsipika anatin’ilay vondrona, ny fanalàna ny solombavambahoaka iray mpikamban’ny vondrona parlemantera iray dia ny Fitsarana Avo

momba ny Lalam-panorenana no mamoaka azy, ka tsy mihaotra ny 15 andro ao aorian’ny fametrahana fitoriana

nataon’ilay vondrona parlemantera voakasik’izany.

Ny Vondrona parlemantera tsirairay avy dia samy mahazo ny teti-bola entina miraki-draharaha mifanaraka

amin’ny isan’ny olom-boafidy ao anatiny. Misy teti-bola fanampiny manan-danja omena ireo vondrona parlemantera mahafeno isa 15, 20, 25, sns. Ny sandan’izany teti-bola izany dia faritan’ny Minisitra miadidy ny

vola ka alefany ho tapahina mandritry ny Filan-kevitrin’ny Ministra.

Teboka 13: Mba hahafahan’ny Antenimieram-pirenena manatanteraka ny andraikitra fanaraha-maso amin’ny

tokony ho izy, ny Birao Maharitra izay soloin’ny Filohany tena dia afaka mampiasa ny sampan-draharaham-

panjakana mpanara-maso (contrôle et inspection) rehetra, izay afaka mampiasa ny fahefana fakanà ataon’ny fanjakana (pouvoir de réquisition) raha ilaina. Io sampan-draharaham-panjakana mpampihatra io dia tsy

manome tatitra afa tsy any amin’ny Birao Maharitra ny Antenimieram-pirenena izay soloin’ny Filohany tena

irery ihany.

Page 22: FIFANARAHANA MIKASIKA NY FAMPIHAVANANA, NY … · Ny famoronana orinasa (asa-tanana, koperativa, PMIE na rafitra hafa) ataon’ny tanora, ny zokinjokiny ary ny vehivavy dia amporisihina

22 DINIKE

Ny fanaraha-maso izay ataon’ny Antenimieram-pirenena dia tsy tokony hisy mihintsy ambadika politika na atao noho ny antony ara-politika.

Teboka 14 : Anisan’ny fahefan’ny Antenimieram-pirenena ihany koa ao anatin’ny andraikitra mpanara-maso sy fanarahana ny asan’ny governemanta, sy ireo rantsa-mangaika sy miankina amin’ny fanjakana, ireo tetik’asa

rehetra vatsian’ny fanjakana vola mivantana na an-kolaka, ary ny fitandrovana ny harena voajanahary, araka ny

mety ilàna azy, ny mihaino izay mety ho vavolombelona, na ihany koa mamorona Vaomiera manokana mpanadihady mba hanamarinana ny raharaha.

Ny rakin-kevitra rehetra ilaina vokatry ny fihainoana ireo vavolombelona, na ilain’ilay Vaomiera mpanadihady, avy amin’ireo rantsa-mangaikan’ny fanjakana na miankina aminy, na avy amin’ireo loharano hafa avy amin’ny

fanjakana, dia tsy maintsy omena ny IGE (Inspection Générale de l’Etat) ; ka io rafitra io no tompon’andraikitra

ary izy ihany koa no mikirakira izany rakin-kevitra izany miaraka amin’ny Filoha sy ny Mpiraki-draharaha eo anivon’io Vaomiera io. Ny IGE dia tsy maintsy manaja tanteraka ny tsiambaratelo momba ilay fanadihadiana.

Mba ho fanajàna ny lalàna velona, raha vao mitsangana amin’ny fomba ofisialy ny Vaomiera parlemantera mpanadihady, ny Lehiben’ny Governemanta sy ny minisitra misahana ny Vola dia tsy maintsy miantoka ny

fahaleovan-tena ara-bolan’izany Vaomiera izany mba hahafahany miasa malalaka.

Teboka 15: Mba ho fampahafantarana ary tsy arahina latsabato, indray mandeha isan-taona ka mialohan’ny

fandaniana ny Teti-bolam-panjakana eo anivon’ny Antenimieram-pirenena, mandritra ny fotoam-pivorian’ny

Antenimieram-pirenana azon’ny be sy ny maro atrehina, ny Minisitra misahana ny Vola, ny Minisitra misahana ny Toe-karena, ny Governoran’ny Banky Foiben’ny Madagasikara, dia samy manao tatitra an-tsoratra arahina

adi-hevitra mikasika ny vina ara-toe-karena : ny tanjona, ny politikan’ny vola Malagasy, ny fipetraky ny

tahirim-bola vahiny, ny firafitry ny tontolon’ny banky sy ny ara-bola sy ny tari-kevitra rehetra mifandraika amin’izany.

FIRENENA TAN-DALANA : MOMBA NY RAFIM-PITSARA

Teboka 16: Ny didy avoakan’ny fitsarana rehetra dia tokony hisy fandresen-dahatra foana na mikasika ny endriny na ny votoatiny. Ny didy avoakan’ny fitsarana dia tsy maintsy haparitaka amin’ny tambazotra

informatika mba hitandrovana ny mangarahara.

Ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana

Teboka 17: Ny mpikamban’ny HCC dia tokony hanana traikefa nitazona asan-na tompon’andraikitra ambony

nandritry ny 25 taona farafahakeliny, voamarina sy azo porofoina.

Izy ireo dia voafantiny sy voafidy ao anatin’ireo olona tsy mba nampiseho ampahibe-maso fiandaniana ara-

politika ary tsy mba namadika ny fifamatorany amin’ny vovonana nihaviany, ny etika sy deontolojia, ary nanaja

hatrany io vovonana io.

Teboka 18: Ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana dia ahitana mpikambana 11 ka ny firafiny dia ny

lalàna organika (loi organique) no mamaritra azy.

Ny fe-potoana iasan’ireo mpikamban’ny HCC dia fito (7) taona tsy azo avaozina aorian’ny fianianana ataon’izy

ireo.

Ny Mpanara-maso Ankapoben’ny Fitsarana (IGJ)

Teboka 19: Ny Mpanara-maso Ankapoben’ny Fitsarana dia hanara-maso manokana ny fanajan’ireo Mpitsara,

ny Mpisolovava, ny Notera, ny Vadintany, ny “Experts comptables” ny soa toavina manokana momba ny asany,

hanaraka ihany koa ny fihetsik’ireo mpikamban’ny Mpanolo-tsaina Ambony ny Fitsarana, ireo mpiasa ao amin’ny fitsarana sy ny rantsa-mangaika eo anivon’ny fitsarana rehetra. Hanara-maso ihany koa izy ny mety

hisian’ny tombotsoa tsy mifanitsy, ny kitranoantrano, ny fanajana ny lalàna mifanipaka, amin’ny fanarahana

amin’ny an-tsipirihiny ny dingana tsy maintsy arahina amin’ny raharaham-pitsarana, ny fahadisoana arak’asa goavana, ary koa ny kolikoly isan-karazany mifandray amin’ny soa toavina takin’ny asan’ny tsirairay avy

amin’ny sehatra misy azy ireo isan’isany.

Page 23: FIFANARAHANA MIKASIKA NY FAMPIHAVANANA, NY … · Ny famoronana orinasa (asa-tanana, koperativa, PMIE na rafitra hafa) ataon’ny tanora, ny zokinjokiny ary ny vehivavy dia amporisihina

23 DINIKE

Mahaleo-tena ny Mpanara-maso Ankapoben’ny Fitsarana amin’ny fanapahan-kevitra izay raisina ary ny

mpikambana ao aminy dia misitraka ny tsiazonkeloka mandritran’io fotoana maha mpikambana azy io, ary

misitraka ihany koa ny fiarovan’ny fanjakana. Manana fahefana mampihatra ihany koa izy.

Tsy misy tsiazonkeloka, tsy misy andraikitra na toerana ananana na asa na fahefana, na fanavahana manokana,

na sata manokana, tsy misy andian-tsoratra manokana ka afaka manakana ny fiantsoan’ny Mpanara-maso

Ankapobeny ny Fitsarana. Ny Mpanara-maso Ankapobeny ny Fitsarana dia afaka maka fepetra manasazy

voarakitra ao anatin’ny lalàna manankery. Afaka miantso ny tenany ihany koa izy momba ny raharaha iray.

Mba hitandrovana ny fahaleovan-tenany, ny IGJ dia eo ambany fiahian’ny Filohan’ny Filankevitra

Nasionalin’ny Fampihavanana saingy tsy eo ambany fahefany.

Teboka 20: Ny Mpanara-maso Ankapobeny ny Fitsarana dia ferana ho 13 no isany, ka toy izao ny fomba isafidianana azy :

- Ny fivoriana azon’ny be sy ny maro atrehana (assemblée plénière) eo anivon’ny Antenimieram-pirenena

dia manolotra olona roa (2), izay tsy ao anatin’izy ireo, manana traikefa fa tsy mpitsara ary tsy

mpisolovava. Ny iray dia mpampianatra eny amin’ny oniversité ambony grady ary ny iray dia olona

misotro ronono nefa nitàna toerana ambony teo amin’ny fitantanana ny volam-panjakana.

- Ny Filan-kevitrin’ny Ministra ihany koa dia manolotra olona roa (2), izay tsy ao anatin’izy ireo, manana

traikefa, ka ny iray mpampianatra eny amin’ny oniversité (“Maître de conference” farafaharatsiny) ary ny iray « Inspecteur des Domaines » efa misotro ronono ary manana ny maha-izy azy.

- Ny fivoriamben’ny mpitsara dia manolotra mpitsara efa misotro ronono roa manana ny grady voalohany,

ary manana ny maha izy azy.

- Ny Holafitry ny Mpisolovava dia manolotra mpisolovava manana ny maha-izy azy iray efa misotro

ronono na efa tsy manao ny asa maha mpisolo vava azy intsony.

- Ny “Ordre des Notaires” dia manolotra “notaire” iray manana ny maha-izy azy efa misotro ronono.

- Ny « Ordre des Huissiers » dia manolotra vadin-tany iray manana ny maha-izy azy efa misotro ronono.

- Ny « Ordre des Experts Comptables » dia manolotra « expert comptable » iray manana ny maha-izy azy

efa misotro ronono.

- Ny fivoriamben’ireo Fikambanana misahana ny Fiaraha-monim-pirenena, amin’ny alalan’ny latsabato

miafina, dia manolotra olona telo efa misotro ronono nalaza noho ny toetra marina nananany, manana

traikefa voamarina teo amin’ny lafiny lalàna na fitantanam-bola na teo amin’ny asam-panjakana.

Ireo mpikambana ao amin’ny IGJ dia tsy maintsy manana traikefa 25 taona voamarina sy azo porofoina farafahakeliny amin’ilay sehatra nahavoaantso azy. Ireo mpikambana ireo dia tokony ahitana taratra ny

firaisam-kinam-pirenena.

Ny Mpandrindra Ankapoben’ny IGJ dia fidin’ireo mpikambana ao anatin’izy ireo.

Ny fanendrena ny mpikamban’ny IGJ dia avoaka Didim-panjakana mandritry ny Filan-kevitrin’ny ministra. Ny

fe-potoana iasan’ny mpikamban’ny IGJ dia fito (7) taona tsy azo avaozina.

Ny Filohan’ny Repoblika, ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, ny Governemanta, ny Filan-kevitra Nasionalin’ny Fampihavanana, ny Lehiben’ny Rafi-pitsarana, ny fikambanana mijoro ara-dalàna dia afaka

manantona ny IGJ.

Ny asa eo anivon’ny IGJ dia tsy azo ampiarahina amin’ny asan’ny olomboa-fidim-bahoaka, na asam-panjakana

amin’ny ankapobeny, na asa aman-draharaha mampidi-bola ankoatra ny fampianarana irery ihany; tsy mifanaraka aminy ihany koa ny andraikitra eny amin’ny asa sosialy izay mety hisy tombotsoa mifanohitra sy

ny fiandaniana politika mivantana.

Ny fitsipika momba ny rafitra anatiny, momba ny fampandehanan-draharaha sy ny andraikitrin’ny IGJ dia horafetina ho foto-dalàna atolotry ny Lehiben’ny Governemanta.

Ny Fitsarana momba ny Kaonty

Teboka 21: Mba hahafahana manaraka sy manamarina fa araka ny tokony ho izy ny fitantanam-bolam-

panjakana ary mba hahatonga azy ho mahaleo-tena, dia voafaritra ho toy izao ny anjara asan’ny Fitsarana momba ny Kaonty:

- Mitsara ny fahamarinan’ny kaonty nataon’ireo mpitam-bolam-panjakana;

Page 24: FIFANARAHANA MIKASIKA NY FAMPIHAVANANA, NY … · Ny famoronana orinasa (asa-tanana, koperativa, PMIE na rafitra hafa) ataon’ny tanora, ny zokinjokiny ary ny vehivavy dia amporisihina

24 DINIKE

- Manara-maso ny fampiasana sy ny fitantantana ny volam-panjakana na iandraiketan’ny fanjakana mivantana na an-kolaka, ohatra, ny takalon’ny findramam-bola, na dia eo

anivon’ireo rafitra tsy manana mpitam-bolam-panjakana aza;

- Manamarina ny fanarahana ny fitsipika mifehy ny fitantanam-bola, ny fangaraharana sy ny

maha azo itokisana ny kaontim-bolam-pajakana;

- Manara-maso ny fampiasana amin’ny tokony ho izy ny vola voarakitra amin’ny Lalàna

mifehy ny teti-bolam-panjakana sy ireo lalàna mifehy ny fampiasam-bola avy amin’ireo

fifanarahana famatsiana avy any ivelany ka idiran’ny fanjakana.

- Manamarina ny lalàna mifehy ireo fitsipika mifandraika amin’ny fampiasana ny Lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana.

Ny Fitsarana momba ny Kaonty dia mpanolo-tsain’ny Governemanta sy ny Antenimieram-pirenena. Indray mandeha isan-taona alohan’ny fandaniana ny teti-bolam-panjakana eo anivon’ny Antenimieram-pirenena,

mandritra ny fivoriana azon’ny be sy ny maro atrehina, ny Fitsarana momba ny Kaonty dia manao tatitra arahina

adi-hevitra. Ny tatitra isan-taona ny Fitsarana momba ny Kaonty dia misokatra ho an’ny rehetra.

Ny Fitsarana momba ny Kaonty dia mamoaka ampahibemaso tatitra isaky ny enim-bolana mikasika indrindra

ny trosam-panjakana (dette publique) anatiny sy ivelany ary koa ireo antoka rehetra mety idiran’ny fanjakana na mivantana na an-kolaka, na idiran’ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana eo anivon’ny faritra.

Ny rafitra fitsarana mpanasazy eo amin’ny ady madio dia manaraka ho azy ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana momba ny Kaonty raha toa ka misy tsy fanajana mihoa-papana tsikaritra mifandraika amin’ny lalàna mifehy ny

fitantanam-bola manankery.

Mba hanantotosana izany dia tokony hamafisina ny olona, ny vola, ny tekinika ary ny fitaovana eo am-pelan-

tanan’ny Fitsarana momba ny Kaonty. Ny Praiministra, lehiben’ny Governemanta, sy ny Minisitry ny Vola dia

tsy maintsy, mandritry ny Filan-kevitrin’ny Governemanta raha ilaina, mitady izay fomba ahafahan’ny “Fitsarana momba ny Kaonty” manatontosa ny asany.

Teboka 22: Mandritry ny fivoriana azon’ny be sy ny maro atrehina, ireo solombavambahoaka na ireo vondrona parlemantera mpanohitra ao amin’ny Antenimieram-pirenena dia misafidy amin’ireo mpitsara efa tranainy nefa

mbola amperin’asa ary manana ny grady voalohany ho Filohan’ny “Fitsarana momba ny Kaonty”. Ny

Filohan’ny Fitsarana momba ny Kaonty dia tendrena araka ny didim-panjakana izay raisina mandritry ny Filan-kevitrin’ny ministra ka ny Minisitry ny Fitsarana no manolotra azy araka ny fanapahan-kevitra noraisin’ireo

solombavambahoaka avy amin’ny mpanohitra ka horaiketina an-tsoratra ny tatitra mifanaraka amin’izany.

Ny Filohan’ny Fitsarana momba ny Kaonty dia miantoka ny fahaleovan-tenan’ity rafi-pitsarana ity. Ny

Lehiben’ny Governemanta sy ny Minisitra miandraikitra ny Vola kosa no miantoka ny fahaleovan-tena ara-

bolan’ny Fitsarana momba ny Kaonty.

Teboka 23: Ny Fitsarana momba ny Kaonty dia mitandro ny fahaleovan-tenan’ireo rafitra mpanara-maso izay

eo ambany fiahiana nefa tsy eo ambany fahefany. Mbola mila tohizana ny adihevitra mahakasika ny fahaleovan-tenan’ny Fitsarana momba ny Kaonty.

TOKO II :

MOMBA NY FAMPIHAVANAM-PIRENENA

Teboka 24: Ny dingana arahina amin’ny fametrahana ny Fampihavanam-pirenena sy ny Fanavaozana Ifotony ny Firenena sy ny Repoblika dia eo ambany fiahian’ny Filohan’ny Repoblika vao lany sy ny Fiombonan’ny

Fiangonana Kristianina eto Madagasikara (FFKM). Ity farany no hiangaviana ho tompon’andraikitra amin’ny

fikarakarana ny rindran-damina rehetra mandra-pahatongan’ny fifidianana ireo mpikambana mandrafitra ny Filan-kevitra Nasionalin’ny Fampihavanana (CNR).

Ny Governemanta Foibe eo ambany fitantanan’ny Praiministra, Lehiben’ny Governemanta dia mitondra ny fanohanany rehetra eo amin’ny fikarakarana ny dingan’ny Fampihavanam-pirenena sy ny Fanavaozana Ifotony

ny Firenena sy ny Repoblika.

Page 25: FIFANARAHANA MIKASIKA NY FAMPIHAVANANA, NY … · Ny famoronana orinasa (asa-tanana, koperativa, PMIE na rafitra hafa) ataon’ny tanora, ny zokinjokiny ary ny vehivavy dia amporisihina

25 DINIKE

Teboka 25: Ao anatin’ny fampiharana ny Fampihavanam-pirenena sy ny Fanavaozana Ifoton’ny Firenena sy

ny Repoblika, dia apetraka ny Filan-kevitra Nasionalin’ny Fampihavanana (CNR). Foana avokoa izay filazana

mifanohitra amin’izany. Misy fepetra tetezamita apetraka.

Ny Filan-kevitra Nasionalin’ny Fampihavanana dia antenimiera masimandidy noho ireo andraikitra ankinina

aminy ao anatin’ireo drafitra Lalam-panorenana tohanan’ireo mpanao Sonia an’ity fifanarahana ity.

Ny “fampihavanana” dia fombafomba famahana olana efa nahazatra ny tontolo ambanivohitra ka ny tanjona

dia ny fampihavanana, izay miantomboka amin’ny fiheken-keloka (manaiky ny heloka), avy eo dia ny famelan-keloka (mamela heloka), ary ny farany dia ny fanaovana ny adidy ho fanonerana (adidy). Izany hoe ny

famotsoran-keloka tsy midika velively fa tsy matimanota izay aretin’ny fiaraha-monina Malagasy ankehitriny.

Teboka 26: Ny CNR no endrika mivantan’ny fampihavanam-pirenena, sy ny firaisan-kinam-pirenena ary ny fitoviana eo amin’ny mpiara-monina. Noho izany ny CNR dia mitandro ny politika sy ny fahavononan’ny

rehetra mba handeha ho any amin’ny Fampihavanam-pirenena ary hanamafy ny Fanavaozana Ifotony ny

Firenena sy ny Repoblika, ny tany tan-dalàna sy ny Fanjakana tsara tantana avy amin’ny alalan’ny fanavaozana

ny Andrim-panjakana, ny politika ary ny rafi-panjakana.

Teboka 27: Ny Fampihavanam-pirenena sy ny Fanavaozana Ifotony ny Firenena ary ny Repoblika dia

hiorim-paka avy amin’ireo soatoavina iraisan’ny kolontsaina Malagasy sy avy amin’ny filàn’ny

Fanjakana Repoblikanina maoderina sy ny fanajana ny Zon’olombelona ary ny Demokrasia, mba

hananganana Fanjakana Firenena manan-karena noho ny fahasamihafana amin’ny alalan’ny :

- Andrim-panjakana hajain’ny rehetra, afaka mandrindra ny adilahy politika sy ny fifandimbiasam-

pahefana;

- Fananganana endrim-piaraha-monina vaovao manaja ny fahamaroan’ny fombafomba isan-karazany ary

hanovo ny hevitra tsy mitovy avy ao amin’ny fahasamihafan’ny kolontsaim-paritra (diksionera Malagasy

iombonana, tantara isam-paritra, tantaran’I Madagasikara, sns.) mba hanamafisana ny maha izy antsika ka hananganana Fanjakana Firenena vanona ;

- Fandalinana ireo dingana lehibe ara-tantara, indrindra indrindra ireo tranga manan-tantara izay namela

takaitra amin’ny fifandraisana ara-politika, toe-karena, sosialy sy kolontsaina teo amin’ny samy

Malagasy ary teo amin’ny fampandrosoana isam-paritra sy nasionaly;

- Fanaovana antso avo ho an’ny firaisam-pirenena izay mifototra amin’ny ho avy iarahana sy ifampizarana

mba tsy hiverimberenan’ny valifaty sy ny lonilony amin’ny alalan’ny fampihavanam-pirenena tena eken’ny rehetra sy ny fiarahana manaiky fa Tanindrazana sy lahatra tokana ihany ny antsika.

- Ny fandrosoana sy ny fivoarana dia samy mitarika mankany amin’ny fampivelarana ny maha-olona, izay

tsy afaka miala amin’ny maha izy azy ny tsirairay sy ny tontolo ivelarany.

Ny tanjon’izany rehetra izany dia mba :

- Hanamafisana ny fampihavanana, manomboka eny amin’ireo rafitra fototra dia ny fokonolona ka hatrany

amin’ny sehatra nasionaly ;

- Hanamafisana ny fototra izay mampitovy ireo kolontsaina isam-paritra ahatonga ny firenena ho mafy

orina;

- Hametraka ny fahaizana ny tantara, ny jeografia, ny harena voajanahary miainga avy amin’ny vondrona

fototra hatrany amin’ny ambaratonga nasionaly;

- Hametraka ho vaindohan-draharaha ny tantara marina miaraka amin’ny fahaiza-manao siantifika sy ny

akora mifanaraka amin’izany sady azo porofoina;

- Hamolavolàna sy hametrahana rafim-panjakana izay mamaly tanteraka ny hetahetan’ny vahoaka

Malagasy isan-tsokajiny sy miantoka ny fizarana ara-drariny ny harena sy ny fampivoarana ara-toe-karena, sosialy, kolon-tsaina sy maha-olona amin’ny fanajàna ny fahasamihafàna sy ny firaisan-kina.

Teboka 28: Ny foto-kevitra hoe Fahamarinana sy Fampihavanana dia hanome fanazavana ireo manjavozavo

mbola manaloka ny firaha-monina Malagasy eo amin’ny lafiny ara-toe-karena, sosialy, kolon-tsaina, politika

ary ara-tantara mba hanome lanja ny fiarahana miaina. Fampihavanana no resaka eto, fampihavanana ny Malagasy rehetra amin’ny tantarany, fanamafisana ny tena maha-malagasy ao anatin’ny fanajàna ny

fahasamihafan’ny kolon-tsaina, ary koa hanasongadinana ireo mampiray, ireo no hanefy ahafahana mametraka

fanjakana firenena.

Araka ireo fenitra napetraka teo amin’ny teboka fahavalon’ity fifanarahana ity, mba hanekena ny Lasa

ampahamatorana sy mba hifampizarana ny vina iraisana sy matanjaka mikasika ny Hoavin’ny Firenena, ny

Page 26: FIFANARAHANA MIKASIKA NY FAMPIHAVANANA, NY … · Ny famoronana orinasa (asa-tanana, koperativa, PMIE na rafitra hafa) ataon’ny tanora, ny zokinjokiny ary ny vehivavy dia amporisihina

26 DINIKE

Fampihavanam-pirenena sy ny Fanavaozana Ifotony sy ny Repoblika dia midika hoe famolavolana lalana

organika mikasika ny fikarakarana sy fampandehanana ny Filan-kevitra Nasionalin’ny Fampihavanana sy ny lalàna 3 fampiharana azy dia :

- Lalàna mikasika ny asa, fikarakarana ary fampandehanana ny Vaomieran’ny Fahamarinana, Famelana

ary Fampihavanana,

- Lalàna mikasika ny asa, fikarakarana ary fampandehanana ny Vaomieran’ny Fitsarana sy Fanonerana

ireo niharam-boina,

- Lalàna mikasika ny asa, fikarakarana ary fampandehanana ny Vaomieran’ny Fanavaozana Ifoton’ny

firenena sy ny Repoblika.

Tsy misy tsiazonkeloka, tsy misy andraikitra na toerana ananana na asa na fahefana, na fanavahana manokana, na sata manokana, tsy misy andian-tsoratra manokana ka afaka manakana ny fiantsoan’ny Vaomieran’ny

Fahamarinana, Famelana ary Fampihavanana.

Ny Filankevitry ny Raiamandreny

Teboka 29: Tsy manana ambaratongam-pifandraisana amin’ireo Andrim-panjakana sy rafitra voatonona ao

amin’ny andininy fahadimin’ity fifanarahana ity ny Filankevitry ny Raiamandreny, fa izy dia miantoka :

- Ny firindran’ny Fampihavam-pirenena sy ny Fanavaozana Ifoton’ny Fanjakana sy ny Repoblika amin’ny

tokony ho izy,

- Ny fanajàna ny fitombonan’ireo Andrim-panjakana samihafa,

Izy dia hanao tatitra ampahibemaso izay omeny :

- Ny Filohan’ny Repoblika,

- Ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena,

- Ny Filohan’ny Filan-kevitra Nasionalin’ny Fampihavanana,

- Ny Praiministra, Lehiben’ny Governemanta, sy

- Ireo Lehiben’ny Faritra.

Ny “Médiature” sy ny “Conseil Supérieur de l’Intégrité” dia eo ambany fahefan’ny Filan-kevitry ny Raiamandreny. Ny Filan-kevitry ny Raiamandreny mitambatra izany no :

- Filoha mpitarika ny “Conseil Supérieur de l’Intégrité”,

- Filoha mpitarika ny « Médiature ». Ireo Filohan’ny Repoblika teo aloha dia anisan’ireo Mpanelanelan’ny Repoblika. Ireo Filohan’ny Repoblika teo aloha ireo dia miaraka misafidy Mpanelanelana mpanampy tsy

mihoatra ny 6 no isany.

Raha toa ka tsy misy Filohan’ny Repoblika voafidy, ireo asa tokony ho ataon’ny Filan-kevitry ny Raiamandreny

dia omena iandraiketan’ny Filohan’ny Filan-kevitra Nasionalin’ny Fampihavanana (CNR).

Ny mpikamban’ny Filan-kevitry ny Raiamandreny dia handefasana ny tatitra rehetra ataon’ny “Organes

Supérieurs de Contrôle des Finances Publiques: ny Fitsarana momba ny Kaonty sy ny “Tribunaux financiers”, ny “Inspection générale de l’Etat”, ny “Contrôle Financier », ny « Autorité de Régulation des Marchés Publics »

/ « ny « Commission Nationale des Marchés ».

Ny Filan-kevitry ny Raiamandreny dia fitambaran’ireo Filohan’ny Repoblika tsy maintsy voafidy irery ihany. Ny mpikambana tsirairay dia afaka manana kabinetra tsy mihoatra ny olona 8 ny ao anatiny.

Ny Filankevitra Nasionalin’ny Fampihavanana (CNR)

Teboka 30: Ny Fampihavanam-pirenena dia miorim-paka avy amin’ireo rafitra fototra dia ny fokontany izany,

ka hatrany amin’ny endriny nasionaly dia ny Filan-kevitra Nasionalin’ny Fampihavanana, mba handravina ireo soa toavina manokan’ny kolontsaina Malagasy amin’ny filàn’ny Fanjakana maoderina, repoblikanina,

demokratika sy fatrapanaja ny Zon’olombelona sy ireo fahalalahana fototra :

- Dingana 1 : Eo amin’ny ambaratongan’ny fokontany, ny Mpanentana Fototrin’ny Fampihavanana dia

fidian’ny fokonolona. Izy ilay antsoina hoe Sefom-pokontany voafidy,

- Dingana 2 : Mandritry ny Fivoriambe Itambarana eo anivon’ny distrika, ireo Mpanentana Fototrin’ny

Fampihavanana mandritry ny latsabato miafina dia mifidy Mpanentana Nasionalin’ny Fampihavanana 2

isaky ny distrika,

Page 27: FIFANARAHANA MIKASIKA NY FAMPIHAVANANA, NY … · Ny famoronana orinasa (asa-tanana, koperativa, PMIE na rafitra hafa) ataon’ny tanora, ny zokinjokiny ary ny vehivavy dia amporisihina

27 DINIKE

- Dingana 3 : Ny Filan-kevitra Nasionalin’ny Fampihavanana dia fivondronan’ireo Mpanentana Nasionalin’ny Fampihavanana

Teboka 31: Ny Filankevitra Nasionalin’ny Fampihavanana (CNR) dia fivondronan’ :

- Ireo Mpanentana Nasionalin’ny Fampihavanana roa voafidy teny amin’ny distrika tsirairay avy, izany

hoe raha distrika miisa 119 dia tokony hisy mpikambana 238 izany, voafidin’ireo sy ao amin’ireo Sefom-

pokontany izay voafidy ihany koa.

- ny olobe roa ambin’ny folo voatendry (Sojabe, ampanjaka, sns.) nandritry ny Filan-kevitrin’ny ministra,

izany hoe roa isaky ny faritany,

- ny olona valo fidian’ireo vondrona vahiny nonina maharitra teto Madagasikara nandritran’ny 30 taona

farafaharatsiny ary miteny ara-dalàna ny teny Malagasy : 2 mpiavy sinoa, 2 karana, 2 avy amin’ireo nosy eto amin’ny Oseana Indianina (Kaomoro, Maorisy ary Seychelles), 2 mpiavy frantsay anisan’izany la

Réunion.

Ny Filan-kevitra Nasionalin’ny Fampihavanana dia tarihin’ny Birao Maharitra Nasionaly ka ny Filohany sy ny olona 9 dia nosafidian’ny mpikamban’ny CNR amin’izy ireo tamin’ny latsa-bato miafina. Ny birao maharitra

dia miandraikitra ny fandaminana, fandrindrana sy ny fampandehanana ary ny fanaraha-maso ny CNR.

Eo amin’ny fanatanterahana ny asa, ny CNR dia ampian’ny Vaomiera telo izay voafaritra ao amin’ny teboka faha-7 amin’ity fifanarahana mikasika ny Fampihavanana, ny Fanavaozana, ny Fampandrosoana, ny

Fampivoarana ary ny Fitantanana ity, afaka mamorona farafahabetsany Rafitra Manokana Mahaleotena 9 izy

ivondronan’ny “experts” sy manam-pahaizana manokana mba hamolavola ny fanapahan-kevitry ny CNR.

Teboka 32: Ny fanapahan-kevitra raisina mandritry ny Fivoriambe azon’ny rehetra atrehina manokana sy mahazatra ataon’ny CRN dia manana lanja tsy maintsy ampiharina (force exécutoire) fa manaja ny fifanarahana

sy ny fombafomba mahazatra ny Repoblika. Ohatra, ireo lahateny mikasika ny fahazoan’ny vahiny izay niaina

ampolontaona mahery teto Madagasikara, ny zom-pirenena Malagasy dia ny CNR no miady hevitra momba izany.

Ny andraikitry ny CNR sy ireo rantsa-mangaika ao aminy dia tsy mifarana raha tsy tratra ny tanjona mikasika

ny Fampihavanam-pirenena, ny Fanavaozana Ifotony sy ny Repoblika ary ny mikasika ny Fahamarinana sy Fampihavanana.

TOKO III :

MOMBA NY FAMPIHAVANAM-PIRENENA SY NY FANAVAOZANA IFOTONY

NY FIRENENA SY NY REPOBLIKA ARY NY FITSAPANKEVIBAHOAKA

MIKASIKA NY LALAMPANORENANA MISY SAFIDY MARO

a- Ireo raki-dalàna iorenan’ny Fampihavanam-pirenena sy ny Fanavaozana Ifotony ny

Firenena sy ny Repoblika

Teboka 33: Misy fandrindrana manokana apetraka hanampy amin’ny loabary andasy mikasika ireo dingana samihafa handinihina ny drafitra Lalampanorenana eny anivon’ny fokontany.

Miainga avy amin’ny drafitra Lalampanorenana izay tohanan’ireo mpanao sonia ity fifanarahana ity ny drafitra

lalàna fehizoro sy lalàna mikasika ny famoronana sy ny rafitry ny Filankevitra Nasionalin’ny Fampihavanana

izay hovelabelarin’ny Praiministra mandritry ny fivoriana voalohan’ny Antenimieram-pirenena mba ho laniny.

Marihina fa hisy fikambanana sy vondrona politika hafa mitovitovy firehana hanolotra vinavinan-

dalampanorenana hafa mifanaraka amin’ny teboka faha 8 tetsy ambony.

b- Diarin’ny adihevitra mialoha eny anivon’ny fokontany

Teboka 34: Miainga avy amin’ny didy itsivolana raisina mandritry ny Filan-kevitrin’ny ministra izay ankatoavin’ny FFKM ary atolotry ny Praiministra, dia misy komity iray mahaleo-tena atsangana mba

handamina ny loabary andasy eny anivon’ny fokontany.

Mandritry ny tapak’andro dimy isaky ny Sabotsy (azo ampanarahina ny zava misy eny antoerana), eo ambany

fitarihan’ny FFKM, ireo fokonolona eny amin’ny fokontany dia antsoina avy amin’ny alalan’ny didy itsivolana raisina mandritry ny Filan-kevitrin’ny ministra mba handray anjara amin’ny loabary andasy sy ny adihevitra

Page 28: FIFANARAHANA MIKASIKA NY FAMPIHAVANANA, NY … · Ny famoronana orinasa (asa-tanana, koperativa, PMIE na rafitra hafa) ataon’ny tanora, ny zokinjokiny ary ny vehivavy dia amporisihina

28 DINIKE

mikasika laha-dinika voafaritra sy voarafitra ao anaty atontam-panontaniana (questionnaire). Ny fokonolona

dia mampirisika ireo teratany rehetra feno 18 taona sy ny mihoatra tsy misy azo avahana sy ailika ao anaty

fokontany mba handray anjara.

Ny fivoriana voalohany eny amin’ny fokontany dia atao ny Sabotsy fahatelon’ny volana, dimy volana ao

aorian’ny daty fianianan’ny Filohan’ny Repoblika vaovao.

Ny fandraisan’anjara amin’ireo laha-dinika dimy iadian-kevitra mandritry ny Sabotsy dimy mifanaraka eny

anivon’ny fokontany dia anisan’ireo fenitra tsy maintsy arahina mba ahafahana mirotsaka ho Sefom-pokontany

izay sady Mpanentana Fototry ny Fampihavanana ihany koa.

Telopolo andro farafahatarany aorian’ny fifidianana Sefom-pokontany, ireo izay lany dia misafidy mpikambana

roa (2) maharitra amin’izy ireo hisolontena azy eo anivon’ny Filankevitra Nasionalin’ny Fampihavanana mandritry ny fivoriambe itambarana eo anivon’ny distrika. Ny fivoriana voalohan’ny Filankevitra

Nasionalin’ny Fampihavanana dia 30 andro farafahatarany aorian’ny nisafidianana ireo mpikambana ao aminy.

Ny asan’ny FFKM dia mifarana rehefa tafatsangana ny Birao Maharitry ny Filankevitra Nasionalin’ny

Fampihavanana (CNR).

TOKO IV :

MOMBA IREO VONDROM-BAHOAKA ITSINJARAM-PAHEFANA

Teboka 35: Marihina fa amin’ny endriny ankehitriny (Didy itsivolana laharana 2015-592 mikasika ny

fitsinjarana ny Kaominina ho Kaominina ambonivohitra sy Kaominina ambanivohitra tamin’ny 1 Aprily 2015)

dia mizara ambaratonga roa ny CTD :

- Faritra : 22

- Kaominina : 1.693

Ny fokontany izay miisa 18.251 dia manana sata mifangaro tsy tena manana ny maha-izy satria ny Sefom-

pokontany sy ny mpitam-bolan’ny fokontany dia eo ambany fiahian’ny Distrika fa ny Sekreteram-pokontany

kosa dia ny Kaominina no miahy azy.

Ny Distrika dia firafim-panjakana itambaran’ny kaominina maromaro.

Ny Faritany 6 dia lasa tsy misy intsony noho izany.

Teboka 36: Ny mason-tsivana hamoronana CTD sy/na Distrika iray dia tokony hazava tsara, tokony sokajiana

araka ny isan’ny mponina mandrafitra azy, ny velaran’ny toerana ary ny tsy fiankinan-doha amin’ny lafiny fampandrosoana. Tokony mbola haroso hodinihina mandritry ny fivorian’ny Filankevitra Nasionalin’ny

Fampiahavanana ihany koa io resaka io.

Isaky ny ambaratongana CTD dia marihina eo amin’ny lafiny arofenitra (protocolaire) fa ny tomponandraikitra

voalohany voafidy dia mandeha mialoha ny tompon’andraikitra voalohany amin’ny rafitry fanapariaham-

pahefana ary tsy tokony hifanitsaka ny asany.

Isaky ny ambaratongana CTD dia tokony hapetraka ny hevitra ampandraisana anjara ny vahoaka, na ireo izay

manana karapanondro na tsia fa fantatra tsara fa isan’ny mpiara-monina eo amin’ny fokontany sady anisan’ny mpandoa hetra dia tokony ho afaka miditra amin’ny resaka tetibola sy ny politikam-panjakana (Budget

participatif).

Teboka 37: Ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana arosontsika dia mizara telo : Ny Faritra, Ny Kaominina

ary ny Fokontany. Ny fifandraisan’ireo rafitra telo ireo dia manaraka ny fitsipiky ny fifamenoana (subsidiarité): Faritra Kaominina Fokontany

Ny Faritra dia miandraikitra, eo amin’ny misy azy, izay rehetra mikasika toe-karena hatramin’ireo izay mikasika ny hetra, ny fampandrosoana, anisan’izany ny taozava-baventy, ny varotra, ny fiompiana, ny jono sy ny

fizahantany, ny fandriam-pahalemana, ny sosialy, anisan’izany ny fahasalamam-bahoaka, ny kolontsaina, ny

fianarana ambaratonga fototra, ny tontolo iainana, ny fanjariana ny tany, sns. Ny fahefana mpanatanteraka dia iandraiketan’ny Governemantam-paritra izay fidiana amin’ny latsabato mivantana andraisan’ny rehetra anjara.

Ny fitantanana eny anivon’ny faritra dia iantohan’ny Lehiben’ny Faritra izay manendry Kaomisera Jeneraly 6

Page 29: FIFANARAHANA MIKASIKA NY FAMPIHAVANANA, NY … · Ny famoronana orinasa (asa-tanana, koperativa, PMIE na rafitra hafa) ataon’ny tanora, ny zokinjokiny ary ny vehivavy dia amporisihina

29 DINIKE

farafahabetsany. Ny Lehiben’ny Faritra no mitarika ny fanjakam-paritra ary mandrindra ireo rafim-panjakana

mipariaka ao anatin’ny toerana iadidiany. Ny faritra dia afaka mitambatra ho fikambanam-paritra (groupement interregional). Ny fahefana Mpanao lalàna dia iandraiketan’ny Mpanolontsaim-paritra izay voafetra ho 9 ka

hatramin’ny 15 no isany miankina amin’ny isan’ny mponina ao aminy, ireo mpikambana ireo dia fidiana ihany

koa amin’ny alalan’ny latsabato mivantana andraisan’ny rehetra anjara. Ny fampitàna ny fahaiza-manao avy any amin’ny Fanjakana foibe mankany amin’ny Faritra dia atao tsikelikely mandritra ny 3 taona aorian’ny

fianianan’ny Filohan’ny Repoblika. Ny faritra dia manana ny tetibolany.

Ny Kaominina ambonivohitra sy ambanivohitra no rafitra mampifandray ny CTD. Izy ireo dia mifarimbona

amin’ny fampandrosoana ara-toe-karena, sosialy, kolontsaina, tontolo iainana, fotodrafitrasa ary fandriam-

pahalemana; afaka mitambatra ho fikambanan-Kaominina koa izy ireo (groupement intercommunal). Ny fahefana mpanatanteraka iandraiketan’ny ben’ny tanàna sy ny fahefana Mpanampa-kevitra iandraiketan’ny

Mpanolon-tsain’ny Kaominina dia iandraiketan’ny rafitra samy hafa izay samy fidian’ny vahoaka ao aminy

amin’ny alalan’ny latsabato mivantana andraisan’ny rehetra anjara. Ny ben’ny tanàna no tompon’andraikitra amin’ny asam-panjakana eo anivon’ny Kaominina. Ny Komity eo an-toerana momba ny Fampandrosoana

(Comité Local de Développement: CLD) sy ny vola mampandeha ny CTD dia tantanin’ny fikambanambe

an’ireo ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina mivantana isaky ny Distrika ary ny fandrindrana ny asa dia anjaran’ny Biraon’ireo ben’ny tanàna voafidy, ka ny mpikambana dia nofidin’ireo ben’ny tanàna sy ao

anatin’izy ireo irery ihany, ary ny fanapahan-kevitra dia raisina mandritra ny fivoriambe itambaran’ny ben’ny

tanàna rehetra ao anatin’ilay Distrika.

Ny Fokontany dia ilay rafi-pizarantany fototra kely indrindra. Ny Fokontany dia tarihin’ny Sefom-pokontany

izay fidiana amin’ny latsabato mivantana andraisan’ny rehetra anjara. Ny Fokontany dia mety ho vohitra iray, na tanàna iray, na toerana kely iray, na kartie ao anatin’ny Kaominina. Araka ny isan’ny mponina ao aminy dia

misy rafitra mpanao lalàna antsoina hoe komitim-pokontany ao aminy ka 3 hatramin’ny 5 no isany ary fidiana

amin’ny latsabato mivantana andraisan’ny rehetra anjara izy ireo.

Mikasika ny fokontany, ao anatin’ny fotoana tena haingana :

1. Tsy miandry ny fankatoavana ny Lalam-panorenana vaovao izay hametra ny sata sy ny andraikitr’ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana fototra, fa avy hatrany dia homena andraikitra ny Fokontany ka

tonga dia handray izay tandrify azy eo amin’ny sehatry ny fampivoarana ara-toe-karena sy ny filaminam-

bahoaka. 2. Noho izany izy ireo dia handrafitra sy hanatanteraka araka ny tandrifiny azy avy, Teti-Pampivoarana

ny Fokontany (PDF) sy Lamina mikasika ny fiarovana ny tanàna.

3. Ny Teti-Pampivoarana ny Fokontany dia hisy fanombanana ireo harena voajanahary ara-toe-karena, sosialy sy kolon-tsaina misy ao amin’ny fokontaniny sy lamin’asa momba ny hitrandrahana azy ireo mba

hisy vokatsoa ho an’ireo mpiray tanàna, izany dia atao mba tsy hanozongozona ireo hetsika efa misy eo

antoerana mba hahazoana fiantraikany mivantana sy azo tsapain-tanana eo amin’ny farim-piainan’izy ireo.

4. Ny Lamina mikasika ny Fiarovana ny tanàna dia mamaritra sy mametraka ny entina hanafoanana ny tsy

fandriampahalemana ary manara-maso ny fandikan-dalàna amin’ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny Mpiandry Tanana (quartier mobile), mba hamerenana haingana sy maharitra ny filaminam-bahoaka

sy mba hanatsarana ny fomba fiainan’ny vahoaka eny ifotony. Ilàna ny fandraisana andraikitry ny

fokontany amin’ny lafiny lalàna: eo amin’ny filaminam-bahoaka, ny famokarana ary ny fitakiana ny hetra avy any ifotony.

5. Ny Fanjakana sy ny CTD dia hanome ny fokontany ireo fitaovana sy ny enti-manana rehetra mba

hahafahan’izy ireo hahazo ny fahefana sy ny fahaizana-manao tena izy amin’ireo sehatra fototra roa ireo ary koa mba hisy vokatra haingana ny ady amin’ny fahantrana sy ny tsy fandriam-pahalemana, ary mba

hamoronana fidiram-bola sy hahatonga ny olona hatsapa filaminana sy fiverenan’ny fitokisana avy

amin’ny vahoaka eny ifotony. 6. Amin’izany, ny Fanjakana sy ny CTD dia handefa avy hatrany eny anivon’ny Fokontany ny fanampiana

ara-tekinika sy ny fitaovana ary ny vola ilaina mifandraika amin’izany.

7. Ny fanampiana ara-tekinika dia arindra sy omen’ny Agence d’Appui au Développement Régional izay apariaka eny anivon’ny distrika. Io Agence io no mampiofana ireo mpiasa araka ny isa ilaina ka alefa

ifotony mba hanaraka, hanolo-tsaina ary hanampy ny Fokontany rehetra eo amin’ny fanomanana sy ny

fntanterahana ny PDF.

Page 30: FIFANARAHANA MIKASIKA NY FAMPIHAVANANA, NY … · Ny famoronana orinasa (asa-tanana, koperativa, PMIE na rafitra hafa) ataon’ny tanora, ny zokinjokiny ary ny vehivavy dia amporisihina

30 DINIKE

Teboka 38: Ny politikan’ny fanapariahana ny teti-bola, ny olona sy ny enti-manana dia azo atomboka ary ny

tanjona antonony sy lavitr’ezaka dia farafahakeliny 50% ny teti-bola ankapoben’ny Fanjakana dia atokana ho an’ny vondrom-bahoakam-paritra. Ny tanjona afaka 36 volana aorian’ny fianianan’ny Filohan’ny Repoblika

dia ny fandefasana farafahakeliny 25% ny tetibola ankapoben’ny Fanjakana eny anivon’ny CTD. Marihina fa

hatramin’ny nanafoanana ny teti-bolan’ny faritany tamin’ny 1972 ka hatramin’ny androany, ny teti-bolan’ny vondrom-bahoakam-paritra dia teo amin’ny manodidina ny 3% ka hatramin’ny 5% ny teti-bola ankapoben’ny

Fanjakana.

TOKO V :

MOMBA NY RAFITRA MPANARAMASO NY FIFIDIANANA

Ny Vaomiera Nasionalin’ny Fifidianana (CNE)

Teboka 39: Ny andraikitry ny Vaomiera Nasionalin’ny Fifidianana dia :

a- Mitantana, mandamina ary manara-maso ny hetsika mikasika ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka miainga avy amin’ny fandrafetana ny lisi-pifidianana ka hatrany amin’ny famoahana ny voka-

pifidianana iray vonjimaika;

b- Mitrandraka, mamarana ary mamoaka ireo voka-pifidianana vonjimaika ireo ; c- Mampanaja ny lalàna mifehy ny fifidianana isan’ambaratonga rehetra mba hiantohana ny

fahamarinan’ny fifidianana;

d- Manana ny fahefana rehetra ahafahany mitory eny amin’ny fitsarana ary afaka maka ny fepetra rehetra mba ahafahany mihetsika sy miantoka fifidianana sy fitsapan-kevi-bahoaka madio ;

e- Miantoka ny fitovian’ny erijika ny mpifaninana amin’ny fampitoviana lanja eny anivon’ny fitaovam-

pifandraisana rehetra fa indrindra ny haino aman-jery ; f- Manome lanja ireo seha-pampianarana ny vahoaka mikasika ny fifidianana sy ny fahaiza-miaina.

Mba hanatanterahany ireo asany ireo, ny CNE dia afaka mangataka fiaraha-miasa amin’ireo rafi-panjakana na

ireo rafitra teknika manokana ivelan’ny fanjakana fa mipetraka eo ambany fahefana rafitra teknika iray izay

noforonina noho ny zava-misy.

Ireo fahefam-panjakana rehetra dia tsy maintsy manome ny antotan-kevitra sy mandefa ny antontan-taratasy

rehetra ilainy mba hanatanterahan’ny CNE ny asany. Ny CNE sy ny Ministra misahana ny fitantanam-paritra dia hiara-hiasa akaiky amin’ny fanatanterahana ny fifidianana.

Ny CNE dia hisy mpikambana 11 voafidy amin’ireo olon-tsotra manana ny zompirenena Malagasy, fantatra noho ny fahaizany sy ny traikefany eo amin’ny fifidianana, fitantanam-paritra ary lalàna, ny fahitsiny sy ny haja

ananany, ny fahamarinany, ny tsy fiandaniany sy tsy fanavakavahany. Ireo mpikambana ireo dia tokony hanana

traikefa 20 taona feno teo amin’ny sehatry ny asa.

TOKO VI

MOMBA NY RAFITRA FILANKEVITRY NY REPOBLIKA

Ny Filankevitra Ara-toe-karena, Sosialy, Kolontsaina ary Tontolo iainana (CESCE)

Teboka 40: Ny filankevitra Ara-toe-karena, Sosialy, Kolontsaina ary Tontolo iainana (CESCE) izay antsoin’ny Governemanta dia afaka manolotsaina ny Governemanta sy/na ny Antenimieram-pirenena momba ny tolokevi-

dalàna mahakasika ny toe-karena, sosialy, kolontsaina ary tontolo iainana. Ny CESCE dia afaka mandroso tolo-

kevitra na manome ny heviny momba ny tolo-dalàna, ny didim-panjakana na atontan-kevi-dalàna mifanaraka amin’ny fahaiza-manaony hatrany amin’ny teti-bolam-panjakana.

Ny CESCE dia afaka, amin’ny finiavany manokana, manao famakafakana na fanadihadiana mikasika ny toe-

karena, sosialy, kolontsaina ary tontolo iainana. Ny tatitra ataony dia alefany mivantana any amin’ny Filohan’ny

Repoblika, any amin’ny Praiministra ary any amin’ny Birao Maharitry ny Antenimieram-pirenena.

Raha toa ka misy fifanitsaham-pahefana eo aminy sy ny Filankevitra Nasionalin’ny Fampihavanana dia ity

farany no manana ny laharam-pahamehana mikasika ny atontan-kevitra sy ny famakafakana tokony hatao. Afaka miara-miasa eo ny CNR sy ny CESCE.

Page 31: FIFANARAHANA MIKASIKA NY FAMPIHAVANANA, NY … · Ny famoronana orinasa (asa-tanana, koperativa, PMIE na rafitra hafa) ataon’ny tanora, ny zokinjokiny ary ny vehivavy dia amporisihina

31 DINIKE

Ny CESCE dia misy mpikambana 50 farafahabetsany mpisolotena ny firaha-monim-pirenena sy ny sehatra tsy miankina. Ny Birao voafidin’ny mpikambana ao anatin’izy ireo dia tsy mihoatra ny 7 miaraka amin’ny filohany.

Ny Filankevitra momba ny Filaminana anatiny sy ny Fiarovam-Pirenena (CSNDN)

Teboka 41: Eo ambany fahefan’ny Filohan’ny Repoblika, Filoha Faratampon’ny Foloalindahy, dia misy rafitra

mpanolotsaina iray foronina, dia ny filankevitra momba ny Filaminana anatiny sy ny Fiarovam-Pirenena (CSNDN) izay manana andraikitra handinika momba ny fiarovam-pirenena, ny filaminana anatiny, ny

fitandrovana ny filaminana ary ny fanavaozanany Foloalindahy; indrindra indrindra ny fanesorana ny politika

eo anivon’ny Foloalindahy, ny lalana sy ny enti-manana hanamafisana ny firaisankina sy ny fanarahan-dalàna eo anivon’ny tafika sy ny mpitandro ny filaminana manodidina ny soa-toavina repoblikanina mba hanasoavana

ny Tanindrazana. Ho fantanterahana izany dia hisy Vaomiera 3 hapetraka eo anivon’ny CSNDN :

- Vaomieran’ny Fiarovam-Pirenena sy ny fiandrianam-pirenena ;

- Vaomieran’ny Fiarovana sy ny Fitandroana ny filaminana ;

- Vaomieran’ny Fanavaozana ny rafitry ny Foloalindahy.

Izay tsy voasoratra ato ka tsy mifanohitra aminy, ny atontan-kevitra misahana : (i) ny fiarovam-pirenena, (ii) ny

Filaminana anatinyary (iii) ny Fitandroana ny Filaminana, dia mbola manankery.

Teboka 42: Ny CSNDN dia antonina rehefa misy olana mikasika ny famolavolana sy fantanterahana ny

politikam-pirenena momba ny fiarovam-pirenena amin’ny heviny tena malalaka (fiandrianam-pirenena, orinasa stratejika …), filaminana anatiny, fitandroana ny filaminana, amin’ny fitsinjarana ny asan’ireo mpitandro ny

filaminana, amin’ny fanamafisana ny fahaizana,ny fanamafisana ny fitsipika sy ny asa maha-miaramila sy

maha-sivily arakaraka ny toe-javatra misy, amin’ny tena fisian’ny foto-pisainana marina mikasika ny asan’ny tafika sy ny lalànan’ny fandaharanasan’ny miaramila sy ny fiarovana (isan-taona, isaky ny dimy na folo taona).

Anisan’ny laharam-pahamehana ho an’ny CSNDN ny mitady ny enti-manana tena mahomby amin’ny fiarovana ny sisin-tany eny anivon’ireo seranam-piaramanidina, seranan-tsambo, ny moron-dranomasina ary ny ZEE an’i

Madagasikara. Ny fiarovana ny olona sy ny fananany ato anatin’ny tanin’i Madagasikara koa dia anisan’ny asa

mila ahitana vahaolana maika.

Ao anatin’ny fanatanterahany ny asany, ny CSNDN dia afaka manolotra any amin’ny Filohan’ny Repoblika

ireo fanatsarana ilaina amin’ny fanajana ny fenitra repoblikanin’ny tafika sy ny firindran’ny asany.

Mba hahafahana mitandro ny firaisan-kina sy ny tsy fiandaniana ara-politikan’ny tafika, ireo volavolan-dalàna

sy ireo andininy fampiharana mikasika ny fikarakarana, ny fandehanana ary ny anjara andraikitry ny filan-kevitra momba ny Filaminana anatiny sy ny Fiarovam-Pirenena (CSNDN) izay raisina manditry ny Filan-

kevitrin’ny Ministra izay atolotry ny Praiministra dia volavolaina rehefa azo ny hevitry ny Filohan’ny Repoblika

sy ireo tena manampahefana eo anivon’ny foloalin-dahy, ny Zandarimariam-pirenena sy ny Polisy Nasionaly.

Teboka 43: Ny CSNDN dia tarihin’ny manam-boninahitra jeneralin’ny Tafika tranainy indrindra amin’ireo

grady ambony indrindra mbola amperinasa.

Ny CSNDN dia misy mpikambana 35, ka 15 avy amin’ny Tafika, 10 avy amin’ny Zandarimariam-Pirenena ary

10 avy amin’ny Polisy Nasionaly. Ny mpikambana rehetra dia tsy maintsy mbola amperinasa ary tokony ho hita taratra ao ny firaisan-kinam-pirenena.

Mpikambana ho azy ao amin’ny CSNDN ireo olona mitazona andraikitra ambony mikasika ny Fiarovam-pirenena, ny Filaminana anatiny sy ny Fitandroana ny Filaminana: ny Praiministra na ny solontenany, ny

Minisitra misahana ny Fiarovam-Pirenena, ny Minisitra misahana ny Polisy Nasionaly, ny Sekreteram-

Panjakana misahana ny Zandarmaria Nasionaly, ny Tale Jeneralin’ny Polisy Nasionaly, ny Tale Jeneralin’ny Centrale Intelligence Service (CIS).

Mpikambana ho azy ny CSNDN ihany koa, ireo tompon’andraikitra ambony miaramila taloha sy sivily efa misotro ronono nitana andraikitra mikasika ny fiarovana sy ny filaminam-bahoaka teo aloha :

Page 32: FIFANARAHANA MIKASIKA NY FAMPIHAVANANA, NY … · Ny famoronana orinasa (asa-tanana, koperativa, PMIE na rafitra hafa) ataon’ny tanora, ny zokinjokiny ary ny vehivavy dia amporisihina

32 DINIKE

- Avy amin’ny fiantsoana izay ataon’ny Filohan’ny Repoblika, ny Fivoriamben’ny manam-boninahitra Jeneraly sy manamboninahitra ambonin’ny Tafika efa misotro ronono dia tsy maintsy atao haingana ary

manendry olona roa (2) amin’ireo tonga mivory ho solontenan’izy ireo eo anivon’io filankevitra io,

- Avy amin’ny fiantsoana izay ataon’ny Filohan’ny Repoblika, ny Fivoriamben’ny manam-boninahitra

Jeneraly sy manamboninahitra ambonin’ny Zandarimariam-Pirenena efa misotro ronono dia tsy maintsy

atao haingana ary manendry olona roa (2) amin’ireo tonga mivory ho solontenan’izy ireo eo anivon’io filankevitra io,

- Avy amin’ny fiantsoana izay ataon’ny Praiministra, ny Fivoriamben’ny manam-boninahitra Jeneraly sy

manam-boninahitra ambonin’ny Polisy Nasionaly efa misotro ronono dia tsy maintsy atao haingana ary

manendry olona roa amin’ireo tonga mivory ho solontenan’izy ireo eo anivon’io filankevitra io.

Tafiditra ho isan’ny mpikamban’ny CSNDN ihany koa ireto manam-boninahitra sivily manaraka ireto : Ny

Filohan’ny Filankevitra Nasionalin’ny Fampihavanana na ny solontenany, ny Filohan’ny

Antenimierampirenena na ny solontenany, ireo mpikamban’ny Filan-kevitry ny raiamandreny na ny solontenany, ny Ministra misahana ny Fitantanam-bola, Ny Governoran’ny Banky Foibe, Ny Tale Jeneralin’ny

Fitantanambolam-Panjakana, ny Rektora ny Oniversite eny anivon’ireo Faritany taloha, ny Filohan’ny Akademia Malagasy, ny Filohan’ny Fitsarana tampony, ny Filohan’ny Filankevi-mpanjakana, ny Filohan’ny

Fitsarana momba ny Kaonty, ny Filohan’ny Fitsarana fandravana, ireo Filohan’ny Fitsarana fampiakarana sy

ny ny Tomponan-draikitra ny mpisolovava.

Ny mpikamban’ny CSNDN rehetra tsy ankanavaka dia mitazona ho azy ihany sy ho tsiambaratelo ireo atontan-

kevitra sy atontan-taratasy rehetra mety ho nandalo teo aminy mikasika ny asany.

TOKO VII :

IREO FANAPAHAN-KEVITRA MAIKA

AORIAN’NY FIFIDIANANA FILOHAMPIRENENA

Teboka 44: Mba tsy hisian’ny banga eo amin’ny lafiny mpanao lalàna, ny fe-potoana hiasan’ireo mpikamban’

ny parlemanta amin’izao fotoana izao (Antenimieran-doholona sy Antenimieram-pirenena) dia halavaina araka ny tranga misy :

- Momba ny Loholona : Ny fe-potoana hiasan’ny Loholona amin’izao fotoana izao dia hifarana tsikelikely.

Ny an’ireo olona nofidian’ny Filohan’ny Repoblika dia ho foana 45 andro farafahatarany aorian’ny

fianianan’ny Filohan’ny repoblika vaovao. Ny an’ireo Loholona voafidy kosa dia mifarana rehefa ekena ny Lalam-panorenana vaovao.

- Momba ny Antenimeram-pirenena dia misy fomba fijery roa :

▪ Fijery 1 : Efa-bolana farafahatarany aorian’ny fianianan’ny Filohan’ny Repoblika, dia afaka

hikarakara fifidianana mpanao lalàna. Mikasika ny fanapahan-kevitra maika momba ny

Lalampanorenana vaovao, fantatra fa ny fe-potoana iasan’ny depiote dia 5 taona, dia esorina ny ambin’ny fe-potoana mbola tsy vita.

▪ Fijery 2 : Ny fe-potoana iasan’ny mpikamban’ny Antenimieram-pirenena amin’izao fotoana izao

dia afaka halavaina ary hifarana rehefa ekena ny Lalampanorenana vaovao izay arahan’ny fifidianana ireo mpikamban’ny rafitra mpanao lalàna vaovao.

Ireo fanapahan-kevitra maika mikasika ny lalàna fototra dia mampatsiahy fa :

- Ny fe-potoana iasan’ny Filohan’ny Repoblika dia dimy taona. Tsy maintsy alàna ny fe-potoana ambiny

mbola tsy feno sady mampatsiahy ihany koa fa io fe-potoana dia tsy azo avaozina mihoatra ny indray mandeha ;

- Ny fe-potoana iasan’ny Depioten’i Madagasikara eo anivon’ny Antenimieram-Pirenena dia dimy taona.

Tsy maintsy alàna ny fe-potoana ambiny mbola tsy feno.

Ny Filankevitra Nasionalin’ny Fampihavanana anisan’izany ny Filankevitry ny Raiamandreny sy ny Vaomiera

Fahamarinana sy Fampihavanana dia hiala ao amin’ireo rafitra misahana ny fampihavanam-pirenena sy ny

fanavaozana Ifoton’ny Repoblika ka ho foana tsikelikely mandritra ny fametrahana ireo Andrim-panjakana mifanaraka amin’ny Lalam-panorenana vaovao.

*

* *

Page 33: FIFANARAHANA MIKASIKA NY FAMPIHAVANANA, NY … · Ny famoronana orinasa (asa-tanana, koperativa, PMIE na rafitra hafa) ataon’ny tanora, ny zokinjokiny ary ny vehivavy dia amporisihina

33 DINIKE

TOVANA 2 :

IREO SORI-DALANA LEHIBE MIKASIKA NY POLITIKAN’NY

FIRAISAN-KINAN’IREO AMBARATONGAN-TAONA SAMIHAFA

ANDININYI :

Momba ireo mpisotro ronono

Teboka voalohany : Eo amin’ny lafiny ara-tsosialy, tokony apetraka isaky ny seha-pamokarana ny manda

fiarovana ny mpiasa.

Ireo rafitra mikasika ny fisotroan-dronono dia mila jerena :

- Ny fanavaozana ny fandrefesana ny fisotroan-drononon’ireo be antitra;

- Ny kalitaon’ny fikarakarana amin’ny fitsaboana.

Teboka 2 : Mikasika ny fitsinjovana sosialy, ny CNaPS dia ho jerena akaiky indrindra indrindra :

- Ny satany;

- Ny mpikambana mandrafitra ny Filankevim-pitantanana izay tokony hisy mpisolotena ny be antitra,

- Ny halaviran’ny fahefan’ny Filankevim-pitantanana anisan’izany ny fahefana manendry sy manala ny

Tale Jeneraly,

- Tanterahana farany izay haingana: ny fanaraha-maso ny toe-bola sy ny fananana rehetra.

Teboka 3: Ny be antitra, ny “zoky modely” no hompampiofana ireo tanora izay ho voaantso hanompo Tanindrazana any aoriana.

ANDININY II :

Momba ny tanora

Teboka 4 : Ao anatin’ny rafitra fanopoam-pirenena voatokana ho an’ireo tsy manana baka, hoforonina ny

“Service Légal d’Utilité Publique” (SLUP) :

Eo anelanelan’ny BEPC na ny mitovy lenta aminy sy ny kilasy famaranana na ny mitovy lenta aminy, an-

tsitrapo. Manao 3 volana fiofanana ho miaramila + 3 volana fiofanana ara-tekinika + 12 volana fampiharana ny fiofanana

ara-tekinika + 6 volana misy fanaraha-maso : sehatra hiasana sy hiofanana :

• Informatika ;

• Fambolena ;

• Fiompiana ;

• Jono ;

• Asa-tanana : hazo, vato, volamena, peta-kofehy, fandrariana, fananganana sy ny manodidina azy, sns.

. Ny finamanana no fitsipika arahina mba hiparitahan’ireo tekinika azo tamin’ny fampiharana ny fiofanana.

. Ireo tanora SLUP izay sahy manalava ny fotoana fanompoana ho 36 volana dia hahazo velaran-tany 5000 m2 (dimy arivo metatra tora-droa) miaraka amin’ny fitaovana, na biby fiompy, na izy roa miaraka, na koa fitaovana

informatika arakarakin’ny sehatra misy azy.

Teboka 5 : Anatin’ny rafitra fanompoana tsy an-tery ho an’ny fampivoarana natokana ho an’ireo efa manana

baka sy ny mihoatra, dia noforonina ny “Service National Adapté au Développement” (SNAD) :

. Diplaoma eken’ny fanjakana mitovy amin’ny bakalorea na mihoatra : bakalorea, lisansa, Master 2, doctorat, sns.

. 1 volana fiofanana ho miaramila + 1 volana fiofanana mpampianatra + 10 volana fampiharana ny fampianarana

: andraikitra sy fiofana arahina :

• Fampianarana ankapobeny sy tekinika,

Page 34: FIFANARAHANA MIKASIKA NY FAMPIHAVANANA, NY … · Ny famoronana orinasa (asa-tanana, koperativa, PMIE na rafitra hafa) ataon’ny tanora, ny zokinjokiny ary ny vehivavy dia amporisihina

34 DINIKE

• NTIC,

• Fambolena,

• Fiarovana ny sisintany (seranam-piaramanidina sy seranan-tsambo),

• Fampiofanana arakasa mifanaraka manokana amin’ireo harena voajanahary azo avaozina sy tsy azo

avaozina ary ireo laharam-pahamehana mikasika ny fampandrosoana sy ny fampivoarana,

• Ny fahasalamana

• Fanampiana ireo vondrom-bahoaka (informatika, fitantanana, tetik’asa momba ny fampivoarana, sns.)

eny amin’ny faritra, Kaominina sy fokontany.

. Ny finamanana no fitsipika arahina mba hiparitahan’ireo tekinika azo tamin’ny fampiharana ny fampianarana.

. Ireo tanora SNAD izay vonona manalava ny fotoana fanompoana ho 24 volana ➔ hahazo velaran-tany 1 Ha

(Iray hektara) ➔ afaka mihindram-bola hatramin’ny 20 Tapitrisa ariary farafahabetsany afaka 3 taona vao

manomboka mamerina mandritry ny 10 taona farafahabetsany, miaraka amin’ny tahany 3,5%, mikasika tetikasa mamorona harena na fiharian-karena miara-masahana (incubation) tsara mandritry ny 6 volana avy eo misy

fanaraha-mason’ny matihanina amin’ilay sehatra iray mandritry ny 12 volana.

Teboka 6 : Mikasika ny SNAD sy ny SLUP, ireo tanora miaramilan’ny fampandrosoana sy fampivoarana dia

tokony hanangona ny hevitra rehetra momba ny fahaiza-mamboly, ny ala, ny fiompiana sy ny asa rehetra

mifandray amin’ny harena voajanahary azo avaozina sy tsy azo avaozina eo amin’ny sehatry ny asa -tanana, ny fanombanana ny fampianarana sy ny fahasalamam-bahoaka eo amin’ny toerana misy azy ary handefa izany eny

amin’ireo Ivom-pikarohana efa misy na vao hapetraka mba hanatsarana ny vokatra na/sy ny fahaiza-manao,

ampifanarahana sy ampidirana ny valin’ny asan’ireo Ivom-pikarohana mba hoekena eny amin’ireo toerana idirana antsehatra na an-tanan-dehibe na ambanivohitra.

Ohatra : Ireo tanora hanao SNUP izay alefa hiasa eny anivon’ny CTD dia ampianarina aloha. Eny anivon’ireo CTD hiasany, izy ireo dia eo ambany fahefan’ireo olom-boafidy, na eo ambany fahefan’ny rafitra mipariaka.

Teboka 7 : Na ny “Service National Adapté au Développement” (SNAD) na ny “Service Légal d’Utilité Publique” (SLUP) dia tsy maintsy ataon’ireo tanora latsakin’ny 32 taona, raha toa ka :

- Hangataka vatsimpianarana any ivelany (afaka manao fanekena fa hamita ny SNUP rehefa vita ny

fianarana miaraka amin’ny faneken’ny mpiantoka ihany koa izay mandray andraikitra),

- Hifaninana handray anjara amin’ny fanadinana hiditra mpiasam-panjakana sivily na miaramila,

- Te-hiditra hiasa amin’ny fanjakana na sivily na miaramila na mandritry ny fotoana voafetra na tsy voafetra,

- Hiditra hiasa na mandritry ny fotoana voafetra na tsy voafetra eny anivon’ireo tetik’asa rehetra izay

vatsian’ny fanjakana vola mivantana na ankolaka,

- Hiditra hiasa amin’ny rafitra mifandray mivantana na ankolaka amin’ny Fanjakana,

- Vonona ka mahafeno ny fepetra.

ANDININY III :

Momba ny fampandrosoana ny Faritra sy ny fampivoarana ifotony

Teboka 8 : Ny “Agence d’Appui au Développement Régional et Local” (2ADRL) hanampy manokana ireo

hetsika mikasika ny fampivoarana ataon’ny tanora nivaoka avy amin’ny SLUP eny anivon’ny fokontany sy ny

SNAD eny anivon’ny faritra sy/na kaominina : 1. Ny “Agence d’Appui au Développement Régional et Local” (2ADRL) sy ireo rantsamangaikany eny

ifotony dia manome laharampahamehana ireo tanora izay efa manana fahaiza-manao farafakeliny

ilaina, na SNAD izany na SLUP, mba hamokatra eny anivon’ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana (CTD) na eny amin’ireo toerana manodidina na lavidavitra kokoa, na hahazo ny

fanampian’ireo Zoky fakantahaka voalaza tery amin’ny andininy 3 teny aloha sy/na ireo manana

fandavan-tena (volontaires) avy any ivelany noho ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena itsinjaram-pahefana, ny ONG, sns. Izany dia mahatonga ny fifangarona ara-kolontsaina, fifanakalozana traikefa

ary fampivoarana andraisan’ny rehetra anjara sy tsy manavaka.

2. Ny “Agence 2ADRL” miaraka amin’ny famatsiam-bola sy ny foto-drafitr’asa ilaina entiny, na mifandraika amin’ny Teti-Pampivoarana ny Fokontany (PDF), na amin’ny Teti-Pampivoarana ny

Kaominina (PDC), na amin’ny Teti-Pampivoarana ny Faritra (PDR), dia ho raisin’ny “Fonds d’Appui

au Développement Régional et Local” an-tanàna daholo. Io “Fonds d’Appui au Développement Régional et Local” io dia velomina avy amin’ny vola voaray avy amin’ny fiodinan’ny asa, na koa vola

Page 35: FIFANARAHANA MIKASIKA NY FAMPIHAVANANA, NY … · Ny famoronana orinasa (asa-tanana, koperativa, PMIE na rafitra hafa) ataon’ny tanora, ny zokinjokiny ary ny vehivavy dia amporisihina

35 DINIKE

omen’ny Fanjakana Foibe et/ou ny CTD, na koa vatsian’ireo Mpiara-miombon’antoka ara-Tekinika sy

ara-bola (PTF) avy amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa voafaritry ny Fanjakana Foibe na ny CTD tafiditra amin’izany, na koa ifanarahan’ny roa tonta.

3. Ny fanohanana ara-tekinika, ara-potodrafitr’asa sy ara-bola izay omen’ny Fanjakana dia tsy haharitra

akory fa mandritry ny fotoana izay hianaran’ny Fokontany ny andraikiny vaovao fotsiny ihany. Rehefa mandeha tsara ny zava-drehetra sy rehefa azon’ny Fokontany tsara ny andraikiny mikasika ny

fampivoarana ara-toe-karena, sosialy sy fandriam-pahalemana, ny fokontany avy amin’ny alalan’ny

fiharian-karena eo amin’ny ambaratonga misy azy sy ny hetra miverina any aminy, dia hiala manomboka tsy miankina amin’ny Fanjakana Foibe intsony izy ary ho isan’ny mpandray anjara feno

amin’ny fampidiram-bola sy ny Fampivoarana ny Firenena.

4. Amin’izay, ny andraikitry ny Fokontany miaraka amin’ny an’ny Kaominina sy ny Faritra, ary ampian’ny Fanjakana araka ny tokony ho izy, dia mahatonga ny fampivondronana ny hery eny ifotony,

ny fandraisan’ny vahoaka eny ifotony ny ho aviny ara-toe-karena sy sosialy ary ny fampitomboana ny

fahafahan’izy ireo mihetsika. 5. Ireo tetik’asa ara-ekonomika misy fiharian-karena sy mitondra harena voafaritra ao anatin’ny PDF dia

zaraina na itarina any amin’ny fokontany hafa, na eny amin’ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefa hafa

izay hamorona Fikambanan’ireo Mpiray Tombotsoa ara-Toekarena ho an’ny Fampivoarana. 6. Ny famoronana orinasa (mpanao asa-tanana, kaoperativa, PMIE : orinasa madinika sy salasalany, na

rafitra hafa) ataon’ny tanora na ny zokin-jokiny dia tohanana miainga avy amin’ireo famaritana sy

fanatanterahana azy eny anivon’ny PDF, na PDC na PDR. 7. Noho izany, ireo mponina eny ifotony dia afaka mamorona fiharian-karena eo amin’ny ambaratonga

misy azy, ary hijinja avy hatrany ny vokatry ny asasarany ary tsy hikaikaika intsony amin’ny tsy

fetezana sy ny fizarana vilan’ny hatsembohana eny anivon’ny Fanjakana Foibe. 8. Ireo tetika fanomezan’andraikitra sy fanampiana hapetraka eny amin’ny fokontany mikasika ny

fampivoarana ara-toe-karena sy fandriam-pahalemana dia azo ampiarina ihany koa eny amin’ny

vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana hafa arakaraka ny ambaratonga misy azy. 9. Ny tanjona dia, avy amin’ireo tetika ireo, no hahatonga an’i Madagasikara ho Firenena mpamorona asa,

harena sy/na fiharian-karena. Ny famokarana eo amin’ny firenena eo amin’ireo sehatra rehetra misy dia

tokony hamaly tsy ny filàn’ny tsena eo an-toerana ihany fa ny tsenan’ny nosy manodidina sy ny iraisam-pirenena ihany koa.

10. Ny firaisankinan’ny filan’ireo taranaka mandimby dia tokony ho taratra ao amin’ :

- ny toetry ny rafim-pampianarana,

- ny fomba fanehoana ny firaisankina ara-tsosialy,

- ny fomba koa hitantanana ny harem-pirenena izay azo aodina sy ny tsy azo aodina, ary

- ny politikan’ny fidiram-bolam-panjakana sy ny hetra.

*

* *

Page 36: FIFANARAHANA MIKASIKA NY FAMPIHAVANANA, NY … · Ny famoronana orinasa (asa-tanana, koperativa, PMIE na rafitra hafa) ataon’ny tanora, ny zokinjokiny ary ny vehivavy dia amporisihina

36 DINIKE

Page 37: FIFANARAHANA MIKASIKA NY FAMPIHAVANANA, NY … · Ny famoronana orinasa (asa-tanana, koperativa, PMIE na rafitra hafa) ataon’ny tanora, ny zokinjokiny ary ny vehivavy dia amporisihina

37 DINIKE

TOVANA 3 :

FEPETRA SY FENITRA AMPIHARINA MIKASIKA NY FIRENENA

TAN-DALANA, NY FITONDRANA TSARA TANTANA ARY NY

FAHAIZAMIAINA ARA-PANJAKANA SY ARA-POLITIKA

ANDININY I :

Momba ny Firenena Tan-dalàna

Ampifamenoana miaraka amin’ny Tovana 1 : Ireo Andrim-panjakana sy ireo rafitra tokony apetraka ao

anatin’ny fanovana ara-lalampanorenana ao aorian’ny fifidianana – toko : Ny firenena Tan-dalàna : ny rafitra

mpanao lalàna.

Teboka voalohany : Ny asa sy ny andraikitra eny anivon’ireo Andrim-panjakana sy ireo rafitry ny Repoblika

voarakitra ao amin’ny Teboka 5 amin’ity fifanarahana ity (Mpanatanteraka, Mpanao lalàna, Mpitsara, Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, ireo rafi-panjakana, sns.) dia tsy azo atambatra.

Ny fanambaram-pananana eny amin’ny rafitra miady amin’ny kolikoly BIANCO dia tsy maintsy ataon’ireo

mpikambana sy mpanapa-kevitra rehetra eny anivon’ireo Andrim-panjakana sy rafi-panjakana na rafitra

miankina amin’ny fanjakana rehetra.

Ny mpiasa rehetra ao amin’ny BIANCO sy ny SAMIFIN tsy anavahana ny asany dia manao ny fananambaram-

pananana ihany koa eny amin’ny “Conseil Supérieur de l’Intégrité”.

Ny fanambaram-pananana dia tsy maintsy atao ao anatin’ny 45 andro farafahatarany aorian’ny

fampahafantarana ny fanendrena ilay olona amin’ny toerany. Ny tsy fanaovana na ny fahataran’ny fanambarana dia midika fialàna avy hatrany izay ampahafantarin’ny Sekretera Jeneralin’ny Governemanta an-taratasy.

Teboka 2 : : Ho fiarovana ny tombotsoam-panjakana, mba hialàna amin’nyfisian’ny fitongilanana eo amin’ny fomba fitsarana ary ny tsy hitsabahan’ny hafa amin’ny fanapahan-kevitry ny didim-pitsarana, ny mpikambanaao

amin’ny fahefana mpanatanteraka (nasionaly sy eny amin’ny fitsinjaram-pahefana), ny fahefana mpanao lalàna

(nasionaly sy eny amin’ny fitsinjaram-pahefana), ny fahefana mpitsara, ny fanjakana foibe sy ny rafitra mipariaka, ny fiarovam-pirenena sy ny fandriam-pahalemana (tafika, zandary sy polisy), ireo rafi-panjakana sy

miankina amin’ny fanjakana, ny tetik’asa izay vatsian’ny fanjakana vola ary ireo iraka ara-panjakana atao ato

anatiny na any ivelan’ny firenena dia tsy maintsy manao fanambarana amin’ireo lehibeny, miaraka amin’ny dikany iray mitovy eny amin’ny rafitra mahefa eo anivon’ny Praiminisitra sy ireo rafitra miady amin’ny

kolikoly, ny fangatahana tombontsoa manokana ho an’ny tena, na mivantana na ankolaka, izay mety miteraka

fifanimpahana tombotsoa, na finiavana fandikan-dalàna mahakasika ny asam-panjakana izay tazoniny sy iandraiketany ary mety hampitongilana ny fijeriny eo amin’ny fanatanterahana ny asany ka hanome vahana ny

tombotsoany manokana.. Ny lehibeny no manombana ny tandindon-doza mety hihatra amin’ilay mpiasa

amin’izany ka anjarany no manoro ilay mpiasa ny fitondrantena tokony ho arahina; misy dika mitovy amin’ilay taratasy alefa eny amin’ny rafitra mahefa eny anivon’ny Praiministra sy eny amin’ny rafitra miady amin’ny

kolikoly. Ny fepetra raisina toy izany dia mety hanena ny fandikan-dalàna, ny kolikoly, ny trafika isan-karazany

sns. Ny fandraisana tombotsoa mitarika fifanoherana aorian’ny fanendrena amin’ny rafi-panjakana iray dia fandikan-dalàna.

Ny fandraisana tombotsoa mitarika fifanoherana dia ateraky ny toe-javatra toy izao : misy olona iray ampiasain’ny rafi-panjakana na orinasa tsy miankina kanefa ny Fanjakana dia mpiombon’antoka ohatra, io

olona io kanefa manana tombotsoa azy manokana na an’ny fianakaviany hatrany amin’ny lafin-kavana

fahaefatra, tombotsoa izay mety hanova ny fomba fiasany, ny fampiarany ny fahefany na ny andraikitra raisiny na mivantana na ankolaka eo ampanatanterahana ny asany izay ho amin’ny tombotsoam-bahoaka.

Ny finiavana fandikan-dalàna dia ny fahafantarana atontan-kevitra vitsy mpahalala sady tsiambaratelo noho ny asa sy ny andraikitra tanana ka mampiasa izany mivantana na ankolaka ho an’ny tenany manokana na ho an’ny

Page 38: FIFANARAHANA MIKASIKA NY FAMPIHAVANANA, NY … · Ny famoronana orinasa (asa-tanana, koperativa, PMIE na rafitra hafa) ataon’ny tanora, ny zokinjokiny ary ny vehivavy dia amporisihina

38 DINIKE

fianakaviany hatreo amin’ny lafiny fahaefatra. Ny famoahana atontan-kevitra vitsy mpahalala izay tazonina

noho ny andraikitra eo anivon’ny fanjakana amin’olon-kafa tsy tafiditra ao amin’ny rafi-panjakana noferan’ny fanjakana dia hadisoana goavana ary raisina toy ny famoahana tsiambaratelom-panjakana.

Teboka 3 : Mba hanatsarana ny fanaraha-maso ny fitantanam-bolam-panjakana sy ny politikam-panjakana, mba hiantohana ny fampiasana araka ny tokony ho izy ny volam-bahoaka, ny fampiasam-bolam-panjakana, ny

fifanarahana rehetra idiran’ny fanjakana sy/na ny vondrom-bahoaka isan-tsokanjiny na mivantana na ankolaka

ary ny fitantanana manara-dalàna ny volam-panjakana amin’ny ankapobeny, dia tsy maintsy hamafisina ny fahombiazan’ny fanaraha-maso mialoha, mandritra ary aty aoriana.

Ny fanaraha-maso dia idiran’ny Rafitra Ambony Manaramaso ny Fitantanana ny Volam-panjakana (OSCFP) sy ireo rantsa-mangaika ao aminy dia :

- Ny Fitsarana momba ny Kaonty sy ny Fitsarana momba ny vola,

- Ny Mpanaramaso Ankapobeny ny Fanjakana (IGE),

- Ny Mpanaramaso ara-bola,

- Ny Fahefana mpandrindra ny tsenam-panjakana (ARMP) / ny Kaomisiona Nasionalin’ny Tsenam-

panjakana (CNM) ,

- Sns.

Eo ampanatanterahana ny asany, ireo rafitra mpanara-maso voalaza ireo dia afaka maniratena ary manana ny fahaleovan-tena ara-bola sy arak’asa.

Mba hahatratrarana ny tanjona, ny Praministra amin’ny maha-Lehiben’ny rafi-panjakana azy dia miantoka ny fahavononan’ny enti-manana arak’olona, ara-bola, ara-tekinika sy ara-pitaovana eny anivon’ny OSCFP. Mba

hahatongavana amin’izany, ireo rafitra rehetra voatonona etsy ambony dia misokatra amin’ny alalan’ny

fifaninanana ho an’ny rehetra izay manana ny fahaiza-manao na sivily na miaramila mifototra amin’ny mason-tsivana tsy mitanila toy ny fananana traikefa farafahakeliny 20 taona teo amin’ny toerana tompon’andraikitra

azo porofoina. Miankina amin’ilay andraikitra tazonina diaasiana fanamafisam-pahaizana atao mandritry ny 6

volana.

Teboka4 : Ny fanapahan-kevitra manome famotsoran-keloka mikasika ny fitantanam-bolam-panjakana

ohatran’izay voalaza ao amin’ny Teboka faha 20 ao amin’ny Lalàna laharana faha 2013-012 tamin’ny 6 Desambra 2013 mikasika ny tetibolam-panjakana 2014 dia foana.

Izay hetsika rehetra mety hisy vokany hanakana ny fampiharana ity fanapahan-kevitra ity dia foana sy heverina ho toy ny tsy manankery.

ANDININY II :

Momba ny fitondrana tsara tantana, ny mangarahara sy ny

tamberin’andraikitra Teboka 5 : Tokony ho faritana tsara sy hampanarahina toetr’andro ny andraikitra ary faritana mazava tsara ny

fomba fiasa sy ny anjara asan’ireo rafitra isan-karazany izay miasa mivantana na ankolaka ho an’ny fanjakana:

- Komity Iraisan’ny Ministera, Komity, Sampan-draharaha,

- EPA, EPIC,

- Ofisy, Masoivoho, Ivotoerana, Birao, Tetikasa.

Teboka 6 : Ny harena voajanahary azo avaozina (miaina, maniry, rano, sns.) sy tsy azo avaozina (vatosoa,

solika, sns.) dia tokony ho tantanina araka ny tokony ho izy sady tokony hitsinjo ny firafitry ny tontolo iainana sy ny filan’ireo taranaka mandimby.

Ny vokatra ara-bola (tamberim-bidy) ateraky ny fitrandrahana ireo harena voajanahary azo avaozina sy tsy azo avaozina dia tokony ho tsinjaraina ara-drariny amin’ireo vondrom-bahoaka voakasik’izany sy mizaka ny

fiantraikan’nytetikasa fitrandrahana, tafiditra ao anatinn’izany ireo fokontany voakasika, ny firaisankina

nasionaly ary ireo taranaka mandimby.

Page 39: FIFANARAHANA MIKASIKA NY FAMPIHAVANANA, NY … · Ny famoronana orinasa (asa-tanana, koperativa, PMIE na rafitra hafa) ataon’ny tanora, ny zokinjokiny ary ny vehivavy dia amporisihina

39 DINIKE

Ny fitahirizana ny laharan’ny hitsivolana sy/nafanapahanamikasika ny fahazoandalana na titra mifandraika

amin’ny harena voajanahary azo avaozina sy tsy azo avaozina eo anivon’ireo rafitra ao amin’ny Primatiora ka mitaky andraikitry ny Fanjakana, ka ny fahefana dia indraiketan’ny Sekretera Jeneralin’ny Goverrnemanta, dia

tokony ho voasoratra ao anaty kahie voasora-tanana manokana ary tokony ho voarakitra ihany koa anaty

solosaina misy fomba fiarovana, azo fantarina tsarasy tsy azo hanaovana osoka, miaraka amin’ny mombamomba ilay vokatra ary manaraka laharana mirindra, azo arahi-maso ary mifanaraka amin’ny andro

nanomezana azy.

Teboka 7 : Mba hahafahana miantoka ny fahafantarana ireo andinin-dalàna mbola manankery, ny rafitra foibe,

ny rafitra eny anivon’ireo fanampariaham-pahefana sy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana isan-tsokajiny

dia tokony andefasana tsy misy atak’andro, ny Gazetim-Panjakanan’ny Repoblikan’i Madagasikara mba hampandeha amin’ny tokony ho izy ny raharaham-panjakana sy mba hampangarahara ny fahazoan’ny vahoaka

vaovao.

Mba hahafahan’ny besinimaro haharaka ny Gazetim-Panjakanan’ny Repoblikan’i Madagasikara, ankoatra ny

gazety an-taratasy, dia tokony hisy dika elektronika voarakitra ara-potoana ihany koa avoakan’ny

sampandraharaha tompon’andraikitra amin’izany eny anivon’ny Sekretera Jeneralin’ny Governemanta.

Teboka 8 : Mikasika ireo fifandresen-dahatra rehetra miaraka amin’ireo Mpiara-miombon’antoka ara-Tekinika

sy ara-Bola (PTF), ny solontena malagasy dia tokony hanana fomba fijery manokana sy vina modely ara-toe-karena, ara-bola ary araka ny lalàna sy tekinika mifandraika amin’ny adi-hevitra. Mba hanatanterahana izany

hifanaraka amin’ny filàna, dia anakasitrahana ny fanomezan-tanana avy amin’ireo manam-pahaizana malagasy

miasa any ivelany sy mitàna toerana tomponandraikitra.

Teboka 9 : Mba hanajana ny mangaraharaha sy ny tamberin’andraikitra ataon’ny Fanjakana eny anivon’ny

sampan-draharahan’ny Primatiora, ireo tatitra sy fikarohana rehetra novatsian’ny Fanjakana vola mivantana na ankolaka dia tokony ho voasoratra sy aparitaka ary varotana ho an’ny besinimaro. Izany dia hanamora ny

fangaraharana sy ny fitohizan’ireo fandinihina mikasika ny politikam-panjakana amin’ny sehatra rehetra. Misy

dika elektronika ihany koa varotana amin’izany.

Teboka 10 : Ny taratasim-pifandraisana (anatiny na ivelany) sy ny taratasim-panjakana (sivily sy miaramila)

rehetra izay ifanaovan’ny Fanjakana amin’olon-tsotra dia tokony ho voarakitra sy hahazo laharana mirindra azo arahina, asiana famantarana manokana ka tahirizina ao amin’ny firaketan’ny Departemanta voakasik’izany ary

mahazo laharana tsy misy atak’andro ao amin’izay sampan-draharaha voakasika eny anivon’ny Primatiora mba

hanankery. Noho izany dia tokony hisy dika mitovy voasonia sy dika elektronikan’ilay taratasy hita eny anivon’ny rafitra mpitahirin’ilay Departemanta voalaza eo ambony ary miaraka amin’ireo taratasy

nifanakalozana rehetra.

Mba hampanakery amin’izay rehetra ilàna azy, ny fifandraisana rehetra ara-elektronika ofisialy dia tokony

handalo ao amin’ny mailaka ofisialy izay omen’ny rafitra ara-panjakana mahefa.Ny fifandraisana avy amin’ny

mailaka tsotra dia foana sy heverina ho toy ny tsy manankery.

Ny rafi-panjakana rehetra nany rafitra miankina amin’ny fanjakana dia tsy maintsy manaraka io fomba

fitahirizana io amin’izay asa rehetra niandraiketany.

Ao anatin’ny fotoana tsy mihoatra ny 15 andro farantsa, ny dika mitovy ny taratasim-panjakana iray voasonia

voalaza etsy ambony dia tokony voarakitra ho tadidy eny amin’ny sampandraharaha mahefa eny anivon’ny Primatiora izay miandraikitra ny fanaraha-maso ny ny fiatahirizana taratasim-panjakana. Ny fanovana ny tahiry

ho nomerika dia tokony ho atao.

Ny fametrahanany fandaminana ny fitantantana ny taratasim-panjakana dia tokony hanaraka drafitra fitsipika

atolotry ny Praiministra hodinihina mandritry ny Filan-kevitry ny Minisitra.

Teboka 11 : Momba ny fampitana vaovao sy fitenenana ankalalahana, ity Fifanarahana politika ity dia mandala

ny hevitra voasoratra ao amin’ny Teboka faha 19 ny “Pacte international relatif aux droits civils et politiques

des Nations Unies” izay toy izao :

Page 40: FIFANARAHANA MIKASIKA NY FAMPIHAVANANA, NY … · Ny famoronana orinasa (asa-tanana, koperativa, PMIE na rafitra hafa) ataon’ny tanora, ny zokinjokiny ary ny vehivavy dia amporisihina

40 DINIKE

Tsy misy olona afaka henjehina noho ny heviny afa-tsy amin’ny fiarovana ny heloka bevava iraisam-pirenena,

ny tsy firaharahiana hita maso ny zon’olombelona sy ny fahalalahana fototra izay miainga amin’ireo fenitra ankapobeny sy ara-drazana sy ny Lalàna Iraisam-pirenena sy ny Fifanarahana Iraisam-pirenena manankery,

izay mamaritra ny fanafoanana ny heloka bevava natao tamin’ny ady, ny heloka bevava natao tamin’ny

famonon’olona faobe, ny heloka bevava natao tamin’ny olombelona ary heloka bevava fandrangitana fankahalana ara-piaviana.

Ny rafi-panjakana na ny rafitra miankina amin’ny fanjakana dia manana adidy hanatanteraka ny

tamberinandraikitra amin’ny vahoaka. Ny olona rehetra dia manana zo hampita vaovao sy hiteny malalaka; io

zo io dia ny fahalalahana mikaroka, mandray, sy manaparitaka atontan-taratasin’ny rafi-panjakana sy ny rafitra miankina aminy kanefa manaja ny fahamarinan’ilay atontan-taratasy na/sy ny zavatra nitranga, tsy misy

idiran’ny sisin-tany, na amin’ny endriny am-bava, an-tsoratra, na voatemitra, na elektronika na artistika, na

amin’ny endriny hafa azo porofoina. Noho izany, raha mifototra amin’ny porofo azo amarinina tsara ilay olona nanaparitaka atontan-taratasy dia manan ny zony tsara mampahafantatra vaovao; azony atao ny miaro ny

loharano niaingan’ilay atontan-taratasy ary ho tazoniny ho tsiambaratelo izany.

Na izany aza, ny fahalalahana mampita vaovao sy miteny dia tokony hanaja : a) Ny zon’olombelona na ny voninahitry ny hafa;

b) Ny fitandroana ny fiarovam-pirenena, ny filaminana anatiny, ny filaminam-bahoaka, ny fahasalamana

sy ny fahaiza-miaina.

Ny fampiasana ny fahalalahana mampita vaovao sy miteny dia mitaky asa sy andraikitra manokana. Noho izany dia mety hisy fepetra famerana ihany saingy ireo fepeyra kosa dia tsy maintsy voasoratra any anaty lalàna

mifehy ny serasera (code de communication) sy/na ny lahatsoratra araka ny lalàna fampiharana izany, rehefa

avy nakana ny hevitry ny Holafitry ny Mpanao gazety, ny fikambanan’ireo mpanao gazety mijoro ara-dalàna sy ireo fikambanan’ny fiaraha-monim-pirenena mahasolo-tena sy fantatra eo amin’ny sehatra nasionaly

mitandro ny Zon’Olombelona sy miaro ny fahalalahana fototra.

Teboka 12: Mba hisoroana ny fanararaotam-pahefana amin’ny fanendrena sy ny fanalana olona mitazona

toerana ambony eo amin’ny Firenena ary torak’izany koa ho an’ireo andraikitra sy asa tendrena amin’ny

alàlan’ny fitsipi-dalàna , dia seho maromaro no azo ampiharina :

- Tokony ho apetraka foana ny rafitra fankatoavana amin’ny fotoana fanendrena olona amin’ny andraikitra

iray. Torak’izany koa amin’ny fotoana fanalana olona amin’ny andraikitra sahaniny dia tokony hisy rafitra hahafahany manenjika izany fanalàna azy izany raha heveriny fa misy fanararaotana.

- Ny fanendrena dia tokony hanaraka fitsipika mangaraharaha manome vahana ny fifaninanana anatiny na

misokatra amin’ny any ivelany ary arak any mason-tsivana mazava sy azo porofoina. Miainga amin’ny

tombana atao isan-taona mikasika ny tanjona ho tratrarina, ny tsy fahatratrarana ny tanjona sy ny fahadisoana goavana irery ihany no manamarina ny fandroahana olona manana andraikitra ambony.

- Sns.

Mba hiantohana ny tsy fitanilàn’ny rafitra izay ho apetraka aryao aorian’ny fakana ny hevitr’ireo “Grand Corps

de l’Etat”, ilay volavolan-dalàna voalaza dia atolotry ny Komity manokana iray eny anivon’ny Primatiora mba hoentina any amin’ny Filankevitry ny Minisitraao anatin’ny 12 volana aorian’ny nanaovana ny fianianan’ny

Filohan’ny Repoblika.

Teboka13: Ny isan’ny olona miasa eny amin’ny sampandraharaha sivily sy miaramila dia mila fandalinana

lalina mikasika ny endrikendriky ny fahaizamanao ilaina, ny andraikitra sy ny fisian’olona sahaza eny

antoerana. Amin’ny ankapobeny, tsy misy ny fihoaran’isa, tsy mety ny fitsinjarana ny olona tena afaka ampiasaina mifanandrify amin’ny andraikitra sy ny toerana hiasana. Ohatra, azo heverina ve fa misy Kolonely

500 amperinasa tsy manana toerana hiasana eo anivon’ny Tafika,kanefa tsy misy afa-tsy 28 ny isan’ny polisy

misahana ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany ho an’i Madagasikara iray manontolo? Hisy Vaomiera manokana hapetraka eny anivon’ny Primatiora mba handinika sy handroso hevitra mikasika io lafiny io, ny

tatitra dia andrasana ao anatin’ny 300 andro farafahabetsany aorian’ny fandraisan’andraikitr’ity faranay.

Tokony hiverenana hojerena koa ny fanampariahana ny fahaizana manerana ny nosy ary atao ny fametrahana

ny politikan’ny fampiofanana mba hanamafisana ny fahaizamanaon’ny olona sivily sy miaramila amperinasa.

Ny sivily sy miaramila izay voakasik’ity fanapariahana ity dia mitazona ny tombotsoany efa ananany eo amin’ny toerana vaovao hiasany.

Page 41: FIFANARAHANA MIKASIKA NY FAMPIHAVANANA, NY … · Ny famoronana orinasa (asa-tanana, koperativa, PMIE na rafitra hafa) ataon’ny tanora, ny zokinjokiny ary ny vehivavy dia amporisihina

41 DINIKE

Mikasika ny famindrana ny tetibolam-panjakana foibe mankany amin’ny vondrombahoaka itsinjaram-

pahefana, izay ivon’ny paikadim-pivoarana sy fandrosoana ary filaminam-bahoaka, dia hatao koa ny famindrana ny olona avy ao amin’ny fanjakana foibe mankany amin’ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana

Teboka 14: Ny olom-pirenena mahafeno ireo fepetra rehetra, mahefa, manana trainkefa sy fahaiza-manao, ka nianatra teny amin’ireny ivon-toeram-piofanana voatokana ireny ihany no tokony ho tendrena ho eo amin’ny

toeran’ny fitantanan-draharaham-panjakana (CTD), ny filankevim-pitsaram-panjakana sy amam-bolam-

panjakana indrindra indrindra fa ny toerana ho an’ny mpiasam-panjakana ambonin’ny firenena (Sekretera Jeneralin’ny Repoblika, Sekretera Jeneralin’ny Governemanta, Sekretera Jeneralin’ na Ministera, Sekretera

Jeneralin’ny Faritra, sns…) mba ahahomby , hanara-penitra, matotra sy hentitra ary handeha amin’ny tokony

ho izy ny asam-bahoaka sy ny fitantanan-draharam-panjakana.

Ny filàna arak’olom-panjakana mendrika araka izany, indrindra fa eny anivon’ny vondrom-bahoaka itsijaram-

pahefana (CTD), dia mety tsara raha amin’ireo olom-pirenena mpilatsaka an-tsitrapo (SNAD), izay nahavita fiofanana ampy, no hanovozana, ka ho eo ambany fifehezana olona mahafehy ny tontolon’ny asam-panjakana,

ny fitsarana ary ny volam-panjakana ziy ireo. Ao anatin’izany, ireo Tanoran’ny SNAD dia afaka mampitombo

ny fifanarahany ho 36 volana mba ahafahany mandray anjara amin’ny fifaninanana mivantana hidirana ho mpiasam-panjakana raikitra, izay tokony hifanaraka tsara amin’ny lenta akademikany sy ny fanehoana ny train-

kefany teny amin’ny CTD, na koa teny amin’ny Fianarana momba ny asam-panjakana, ny volam-panjakana sy

ny asam-pitsarana ka hananany tombony mihoatra noho ny hafa izany.

Teboka 15: Mba hiantohana fitantanana mahomby sy mahaleotena amin’ny sehatrasa hafa mifanohitra amin’ny

andraikitry ny rafitra iray ary mba hametrahana ireo fepetra tsara indrindra mba hahazoana vokatra mahafapo, ny fanendrena olona hitana andraikitra eny anivon’ny :

- Orinasa handraisan’ny Fanjakana petrabola mihoatra ny 35% na mivantana na ankolaka ;

- EPIC ;

- EPA ;

- Tetik’asa na fikambanana vatsiana sy tohanan’ny Mpiara-mpiombon’antoka ara-tekinika sy ara-bola

(PTF),

- Komity, Sampan-draharaha, Ofisy, Masoivoho, Ivotoerana, Birao, Tetikasa, sns.

dia tsy maintsy miainga avy amin’ny fampisehoana fahavononana, arakaraky ny toe-javamisy, avy amin’ny

fiantsoana mpiadina misokatra ho an’ny besinimaro, manaraka dingana mangarahara sy azo hamarinina tsara. Amin’izay tranga farany io dia hisy kabinetra manokana hitondra ny fahaiza-manao hanampiana ny mpanapa-

kevitra izay voasotra ao anaty sata mikasika ilay fanendrena.

Teboka 16 : Amin’izao fotoana izao, malagasy iray amin’ny telo no tsy manana soram-piankohonana ary ny

vokatr’izany dia lasa tsy manana karapanondrom-pirenena ireo olona ireo rehefa feno 18 taona.

Tsy voalanjalanja sy mihoapapana ny fandaniana natao mikasika ny fanisana ankapoben’ny vahoaka sy ny

fanisana ankapobeny ny mpifidy ka tokony hojerena manokana, mba hahafahana manome lanja bebe kokoa ny

ara-bola sy ny tekinikam-panjakana.

Noho izany, ny fanavaozana ny soram-piankohonana sy ny firaketana ny rehetra mikasika izany dia atao

laharam-pahemahana. Ny fametrahana ny atontan-kevitra dia hahafahana mahafantatra ny tena fitombon’ny mponina, ny sosialy sy ny toe-karena. Hampisaina ihany koa ny fitaovana maoderna momba ny serasera.

Teboka 17 : Mba hanomezana vahana ny Asa fanasoavana (mécénat) eo amin’ny sehatra samihafa toy ny siansa, ny fitondrana fanavaozana, ny fanabeazana, ny fikarohana, ny fampandrosoana, ny fitsimbinana ny

maha-olona, ny kolontsaina sy ny fanatanjahan-tena, dia homena fampihenan-ketra ireo Orinasa manao izany

ho famporisihana azy ireo.

Ho ferana amin’ny alalan’ny fehezan-dalàna sy fitsipi-pitondràna ny fepetra rehetra momba ny Asa fanasoavana

eo amin’ireo sehatra voalaza ireo.

Page 42: FIFANARAHANA MIKASIKA NY FAMPIHAVANANA, NY … · Ny famoronana orinasa (asa-tanana, koperativa, PMIE na rafitra hafa) ataon’ny tanora, ny zokinjokiny ary ny vehivavy dia amporisihina

42 DINIKE

ANDININY III :

Momba ny fahaiza-miaina ara-panjakana sy ara-politika Teboka 18: Ny Filan-kevitry ny Ministra dia tokony hanapaka farany izay haingany ny Sata mifehy ireo

Filohan’ny Repoblika sy ireo Filoham-Panjakana teo aloha. Araka ny voasoratra ao anatin’ny Lalampanorenana

dia ny Filohan’ny Repoblika na ny Filoham-Panjakana izay voafidy mivantana tamin’ny latsa-bato nandraisan’ny rehetra anjara ihany no afaka misalotra io Sata io.

Teboka 19 : Mba ho fanajana ny fahaiza-miaina sy hisian’ny fifampitokisana eo amin’ny fiainana ara-panjakana sy ara-politika, aorian’ny fanadihadiana ataony diany Vaomieran’ny Fahamarinana, Fifamelana sy

Fampihavanana (CVPR) no manome fankatoavana na tsia, kanefa tsy misy fanavankavahana,ny

filatsahankofidian’ireo rehetra ho mpifaninana amin’izay fifidianana ho avy rehetra. Amin’izany dia avy amin’ny lisitra mbola tsy ofisialin’ireo mpilatsaka ho fidiana, izay navoakan’ny rafitra manam-pahefana

amin’izany, nohanatanterahan’ny Mpandrindra Ankapoben’ny CPVR ny asanyamin’ny fomba mangarahara

kaahafahan’ny mitaky ny atontan-taratasy rehetra mety ilainy momba ireo mpifaninana, na eto an-toerana na any ivelany, eny anivon’ireo rafitra manaraka ireto : rafi-panjakana na ireo rafitra miankina aminy, orinas na

sampandraharaha samihafa, banky na fandraharahana momba ny vola.

Ny famoahana ataon’ny rafitra manam-pahefana ny lisitra farany sy ofisialin’izay mpilatsaka hofidiana amin’ny

fifidianana iray dia atao aorian’ny fakankevitry ny CPVR izay atolotra azy ao anaty valopy miendrika

tsiambaratelo.

Ny antony fandavana filatsahan’ny mpifaninana iray dia tsy avoaka ampahibemaso. Raha misy tsy faneken’ny

mpifaninana iray vita an-tsoratra ny fandavana ny filatsahany nataon’ny Vaomiera Fahamarinana, Famelana sy Fampihavanana, an-tsoratra dia afaka avoakan’ity farany ampahibemaso ny anton’ny fandavana.

Teboka 20 : Na ireo mpikambana ao ami’ny Fahefana Mpanatanteraka, na ireo mpikambana ao amin’ny

Fahefana Mpanao Lalàna, na ireo mpikamba ao amin’ny Fahefana Mpitsara, na ireo mpikambana ao amin’ny

Tafika, Zandary, Polisim-pirenena, na ireo tompon’andraikitra manana fahefam-panjakana sy fahefana eny amin’ny lafin-tany, na ireo mpikambana ao amin’ny rafi-panjakana, na rafitra miankina aminyfanjakana, na

ireo mpikambana ao amin’ny rafitra mampiasa famatsiam-bola avy amin’ny fanjakana, na ireo mpikambana ao

amin’ny orinasa manana petrabola mihoatra ny 35 % tantanin’ny Fanjakana mivantana na ankolaka, ka hilatsaka ho fidiana dia raisinaavy hatrany ho toy ny nametra-pialana ary tsy afaka miverina intsony mandray ny

andraikiny raha vao voarakitry ny tompon’andraikitra mahefa amin’ny fomba ofisialy ny filatsahany.

*

* *

Page 43: FIFANARAHANA MIKASIKA NY FAMPIHAVANANA, NY … · Ny famoronana orinasa (asa-tanana, koperativa, PMIE na rafitra hafa) ataon’ny tanora, ny zokinjokiny ary ny vehivavy dia amporisihina

43 DINIKE

SONIA SY RANGOTR’IREO OLOM-BOAFIDY, IREO

RAIAMANDRENY, ANDIANOLONA, VONDRONA POLITIKA,

FIARA-MONIM-PIRENENA SY FIKAMBANANA HAFA MIANDANY

AMIN’ITY FIFANARAHANA MIKASIKA NY FAMPIHAVANANA, NY

FMPANDROSOANA, NY FAMPIVOARANA SY NY FITANTANANA