32
TOROLALANA NY AMIN’NY HAITAO ARA- TEKNIKA MIKASIKA NY FAMBOLENA, NY FIOMPIANA TRONDRO ARY NY JONO MANOLOANA NY FIOVAN’NY TOETRANDRO Bokim-pampiofanana natokana hoan’ny faritra Analamanga MARTSA 2020

TOROLALANA NY AMIN’NY · Mamay be ny andro sady mandoro be ny masoandro. Lasa lava kokoa ny fotoanan ny haintany Lasa misy rivodoza mahery vaika izay tsy mahazatra ny faritra Tsy

  • Upload
    others

  • View
    12

  • Download
    1

Embed Size (px)

Citation preview

Page 1: TOROLALANA NY AMIN’NY · Mamay be ny andro sady mandoro be ny masoandro. Lasa lava kokoa ny fotoanan ny haintany Lasa misy rivodoza mahery vaika izay tsy mahazatra ny faritra Tsy

TOROLALANA NY AMIN’NY HAITAO ARA-TEKNIKA MIKASIKA NY FAMBOLENA, NY FIOMPIANA TRONDRO ARY NY JONO MANOLOANA NY FIOVAN’NY TOETRANDRO

Bokim-pampiofanana natokana

hoan’ny faritra Analamanga

MARTSA 2020

Page 2: TOROLALANA NY AMIN’NY · Mamay be ny andro sady mandoro be ny masoandro. Lasa lava kokoa ny fotoanan ny haintany Lasa misy rivodoza mahery vaika izay tsy mahazatra ny faritra Tsy

FIZAHAN-TAKELAKA

FISY I : FIOVAN’NY TOETRANDRO .................................................................................................................... 1

FISY II : HAITAOM-PAMBOLENA MAHOMBY ................................................................................................ 4

FISY III : FANDRINDRANA NY RANO ................................................................................................................ 5

FISY IV : FIAROVANA AMIN'NY RIAKA ............................................................................................................. 6

FISY V : NY ZEZIKA ................................................................................................................................................. 8

FISY VI : VOLY LEGIOMA ..................................................................................................................................... 12

FISY VIII : HAZO FIHINAMBOA ......................................................................................................................... 14

FISY IX : FIADIVANA AMIN'NY ARETINA SY NY BIBIKELY ........................................................................ 16

FISY X : FAMPIVADIANA SY FIFANDIMBIASAM-BOLY.............................................................................. 18

FISY XI : FIOMPIANA TRONDRO ANTANIMBARY....................................................................................... 21

FISY XII : FIOMPIANA TRONDRO ANDOBO ................................................................................................. 23

FISY XIII : KARIPA SY TILAPIA ............................................................................................................................ 25

FISY XIV : FIOMPIANA ZANA-TRONDRO ..................................................................................................... 27

Page 3: TOROLALANA NY AMIN’NY · Mamay be ny andro sady mandoro be ny masoandro. Lasa lava kokoa ny fotoanan ny haintany Lasa misy rivodoza mahery vaika izay tsy mahazatra ny faritra Tsy

I. FIOVAN’NY TOETRANDRO

1

Fiovan’ny toetrandro

Dia nohon’ny fanelezana etona maro vokatry ny asan’olombelona.

Ireo etona ireo dia antsoina hoe “Etona Mangeja Hafanana (EMH)” ary

manimba ny taharon’ny atmosfera maneran-tany.

Fiovana voajanahary: izay ateraky ny lalam-pivoarana anaty

voajanahary na avy amina faneriterena ivelany.

Inona ireo asan’olombelona izay miteraka ny fiovan’ny

toetrandro?

Maro ireo seham-pihariana tsy maharitra ataon’ny olombelona noho

izy ireo izay manimba ny tany. Ohatra amin’ny izany ny fitrandrahana

ny fandrehitra sisan-karingarina (arina, solitany,...), ny fandripahana

ala, ny fambolena, ny indostria, ny fitanterana, sns.

Raha araka ny salanisa mahakasika ireo kasinga (orana, mari-pana, rivotra, havandra, sns) mandrafitra ny

toetrandro eto Madagasikara dia hita fa amin’ny ankapobeny dia: (i) ny haintany dia lasa lava kokoa ary

miseho matetika ary (ii) ny rivodoza dia miha-mafy kokoa ary miteraka fahasimbana maro.

Ny fiovan’ny toetrandro dia manana fiantraikany amin’ny seham-pihariana maro toy ny fambolena,

fiompina trondro sy jono. Ireo seham-pihariana ireo

no anisan’ny tena tsapan’ny mpikamban’ny

TAFOMIHAAVO fa miatrika fikorontanana maro

noho izay fiovan’ny toetrandro izay.

Araka ny fahatsapan’ny mponina teny ifotony

amin’ny faritra Analamanga izay nanaovana ny asa

fanadihadiana ny taona 2019 dia ireto ny marika hita

sy tasapa amin’ny fiovan’ny toetrandro.

Page 4: TOROLALANA NY AMIN’NY · Mamay be ny andro sady mandoro be ny masoandro. Lasa lava kokoa ny fotoanan ny haintany Lasa misy rivodoza mahery vaika izay tsy mahazatra ny faritra Tsy

I. FIOVAN’NY TOETRANDRO

2

Orana Mari-

pana Haintany Rivodoza Havandra

Rivotra

Fohy ny rotsak’orana ary

miangona amin’ny fotoana

fohy sy avy be ny orana. Misy

ny andro ratsy isian’ny

tondradrano marikitra ny

Sambirano ka simba ny voly

manodidina rehetra

Mitanila matetika ny

rotsak’orana

Mamay be ny

andro sady

mandoro be ny

masoandro.

Lasa lava

kokoa ny

fotoanan’ny

haintany

Lasa misy

rivodoza

mahery vaika

izay tsy

mahazatra ny

faritra

Tsy lisy ny

havandra

Mihamafy

kokoa ny

fitsioka ny

rivotra

varatraza

Ireo fiovan’ny toetrandro ireo dia misy fiantraikany maro eo amin’ny seham-piharian’ny fambolena,

fiompina sy jono izay asa fototra ataon’ny akamaroan’ny mpikamban’ny TAFOMIHAAVO Analamanga

Fiantraikan’ny fiovan’ny toetrandro Fepetra raisin’ny eny ifotony amin’ny

fampifanarahana amin’ny fiovan’ny toetrandro

Fambolena

- Mikorontana ny kalendarim-

pambolena ka tsy afaka manaraka

ny fomba mahazatra fahiny intsony

- Mihena ny tsiron’ny tany

- Mijaly rano ny voly, rano tsy ampy

na be loatra

- Mihena ny vokatra

- Mitombo sy mihamafy ny aretina sy

bibikely manimba voly

- Fampiasana ny vary malaky

- Fampiasana ny tanimbary in-telo na in-

efatra isakin’ny taom-pambolena

- Fanaovana karazam-boly toy ny voly

legioma

- Fampiasana ny zezi-pahitra avy amin’ny

ondry sy ny osy

- Fampitomboana ny masomboly

ampiasaina (5 na 6 isaky ny lavaka

hoan’ny tsaramaso)

Jono

- Mihena ny fotoana afahana

manjono

- Mihena ny vokatra azo

- Miha-maro ireo hazan-drano izay

tsy dia manana lanja eo amin’ny

tsena ary tsy dia tsara tsiro

- Fifindra-monina amin’ny faritra mbola

maro trondro

Page 5: TOROLALANA NY AMIN’NY · Mamay be ny andro sady mandoro be ny masoandro. Lasa lava kokoa ny fotoanan ny haintany Lasa misy rivodoza mahery vaika izay tsy mahazatra ny faritra Tsy

1

Page 6: TOROLALANA NY AMIN’NY · Mamay be ny andro sady mandoro be ny masoandro. Lasa lava kokoa ny fotoanan ny haintany Lasa misy rivodoza mahery vaika izay tsy mahazatra ny faritra Tsy

II. HAITAOM-PAMBOLENA MAHOMBY

4

Mihisa ho efatra (4) ireo singa fikarakarana izay TSY MAINTSY ataon’ny mpamboly amin’ireo singam-

pamokarana rehetra mba ho voly mamokatra sy tany fambolena maharitra mifanaraka amin’ny fiovan’ny

toetrandro.

1) Fitantanana maharitra ny tany fambolena

Efa hita sy tsapan’ny tantsaha maro fa tena mihena ny vokatra ary miha-ratsy ny tany fambolena. Ny tany

no fototra voalohany hiakinan’ny famokarana ara-pambolena

satria ao daholo ny sakafo ilain’ny voly. Ka noho izany tsy maintsy

atao ny mitondra izany sakafo izany mba hananana tany masaka

hahazoana vokatra tsara sy mba haharitra ny tany fambolena.

Ny zezim-pahitra azo avy amin’ny fiompina (omby, akoho sy

vorona, ondry, osy,..), ny zezika maitso, ny kaomposta dia afaka

hampiasana avokoa. Marihana fa ny zezibazaha na zezika simika

dia manaratsy ny tany rehefa ela avy nampiasana noho izy ireo

manamafy ny tany, mandoto ny rano ary mamoaka etona mangeja hafanana. Fa ny famelana ny tany

hiala sasatra ary ny fandrindrana ny voly atao eo amin’ny tany fambolena ihany koa dia antoka iray

mitondra hoany amin’ny fampiasana maharitra sy fahazoana vokatra hatrany.

2) Fitantanana ny rano

Ny rano dia sakafo fototra hoan’ny voly kanefa ankehitriny dia

tsapan’ireo tantsaha fa ny fiovan’ny toetrandro dia

manakorontana ny rotsak’orana ka matetika dia mijaly rano ny

voly. Raha tiana hamokatra ny voly dia mila mandritra tsara ny

fitantanana ny rano ny mpamboly.

Maro ireo paik’ady azo atao mba hananana rano tsara tantana.

Izany dia miainga amin’ny fikarakarana ny tany ho fitehirazana ny rano, ary fametrahana teknika

fanondrahana maharitra sy tsara tantanana hoan’ireo izay faritra be rano (Jereo ny FISY III).

3) Fampiasana masomboly tsara kalitao

Ankehitriny dia maro ny fanatsarana ataon’ny mpikaroka ara-

pambolena mba hamokarana masomboly mifanaraka amin’ny

fiovan’ny toetrandro. Ny fampiasana masomboly mifanaraka

amin’ny toetany sy fiovan’ny toetrandro dia miantoka vokatra

tsara ary tokony tsy ho tsiniavina ESORY: ireo lanin’ny biby, ireo

miova ny endriny, ireo izay maivana.

4) Voly tsara tantana

Ny fanarahana ireo dingana rehetra ireo sy ny fikarakarana tsara ny voly mandritra ny fitomboany dia antoka

lehibe raha tian’ny tantsaha iray ny hamokatra sy hanana tany fambolena maharitra.

Page 7: TOROLALANA NY AMIN’NY · Mamay be ny andro sady mandoro be ny masoandro. Lasa lava kokoa ny fotoanan ny haintany Lasa misy rivodoza mahery vaika izay tsy mahazatra ny faritra Tsy

III. FANDRINDRANA NY RANO

5

Ny rano dia singa lehibe izay tena mampijaly ny fambolena ao amin’ny faritra Analamanga noho io

fiovan’ny toetrandro satria miha-lava ny haintany ary mihamafy kokoa.

1) Ireo haitao fampiasa antanimbary

Fanaovana tata-belona

- Eo anelanelan’ny vodi-tanety sy ny tanimbary dia tsy maitsy asina

lakan-drano lalina tsara (70sm eo ho eony halaliny; azo atao

hatramin’ny iray metatra raha ilaina).

- Atao manodidina ny lohasaha misy ny tanimbary izany tatatra

izany. Io tatatra io dia misintona ny rano nahapetsapetsa ny

tanimbary ka mihantona izany ny tanimbary ary maina tsara.

Fampidirana rano fanondrahana

- Rano mafana syampy rivotra tsarany rano enti-manondraka ny

tanimbary.

- Rano tarihina avy lavitra (avy amin’ny loharano, dobo, farihy) ka

efa namakivaky toerana lavidavitra, efa nahazo ny hafanan’ny

masoandro teny an-dalana teny ny rano.

- Ampidirina amin’ny alalàn’ny fantsona: vy, volo be, hazo

noloahina, sns

- Ny fianjeran’ny rano amin’ny fampiasana ny fantsona dia ny mba anaovana gararana ka mampiditra

rivotra anatin’ny rano izany

- Amin’ny alina no ampidirana ny rano araka ny ahavony ilaina ary avela hitsika amin’ny antoandro.

2) Ireo haitao fampiasa an-tanety

- Ny “billon” na tahalaka dia tany avoatra ka atao

manaraka maridrano mba hiadiana amin’ny

fikaohan’ny riaka

- Misy ny fotoana afaka ametrahana ny voly

ambonin’ny tahalaka ka miankina amin’ny tontolo

manodidina sy ny paozin’ny tanety.

- Fanamarihana : Fampiasa eny an-tanimbary ihany

koa izy io ka miendrika ho fihazonan-drano (toy ny

hita amin’ny sary eo ankavanana)

Page 8: TOROLALANA NY AMIN’NY · Mamay be ny andro sady mandoro be ny masoandro. Lasa lava kokoa ny fotoanan ny haintany Lasa misy rivodoza mahery vaika izay tsy mahazatra ny faritra Tsy

IV. FIARVOANA AMIN’NY RIAKA

6

Maro ny tany fambolena no mijaly noho ny fikao ny riaka ny eny ambony ary manototra ny tany fambolena

antanimbary sy vody tanety aryireo farihy.

Manan-danja ny fikirakirana sy ny fahaiza-manao eo amin’ny lafiny fandrindrana ny tontolo iainana. Ny

tanety tsara rafitra sy voavoly araky ny tokony ho izy dia antoka iray ho fiarovana ny voly izay ambany

toerana dia ny voly an-tanimbary izany.

Ny fambolen-kazo antanety no fototra voalohany iarovana ny voly eny ambany toerana. Ny sary hita

eo ambony dia maneho fa miaro amin’ny rotsak’orana ny hazo ka manena ny fiotsahan’ny tany eny

ambony. Ny fakan’ny hazo ihany koa dia manampy amin’ny fiotsehan’ny rano any anatin’ny tanimboly ka

manatsara ny vokatra ho azo.

Ny voly an-tanety

Eny an-tanety mikisilasila matetika no ahitàna nyvoly antanety toy ny voly vary! Tokony ho tandremana

mafy noho izany ny riaka sy ny fahatotoran’ny tanimbary aterak’izany.

Ireo tokony atao iarovana amin’ny fihotsahan’ny tany

1. Tokony manao vahilava manaraka

marin-drano ny fiasàna ny tanety ary

manao antana-tohatra.

2. Asiana vody tanim-boly hatramin 1

metatra ka voavoly zava-maniry atao aro

riaka (mandavan-taona raha azo atao, oh.

vetivert na arachis perenne) mba

hiarovana ny nofon-tany tsy ho

kaohin’ny riaka.

3. Manalefaka ny fikorianan’ny rano ny

fanaovana valalava marin-drano ary miaro ny nofon-tany tsy ho lasan’ny riaka. Raha diso misilasila

loatra nytany dia tokony ho teritery sy matetika kokoa ny vahilava marin-drano miaraka amin ny

vodi-tanimboly aro riaka.

Page 9: TOROLALANA NY AMIN’NY · Mamay be ny andro sady mandoro be ny masoandro. Lasa lava kokoa ny fotoanan ny haintany Lasa misy rivodoza mahery vaika izay tsy mahazatra ny faritra Tsy

IV. FIARVOANA AMIN’NY RIAKA

7

Marihina ihany koa fa ny fametrahana fefy eny amin’ny tanimboly dia endrika iray hiarovana amin’ny

fikaohan’ny riaka. Misy karazany roan y fefy manoloana izany :

1) FEFY VELONA

i. Ny fefy velona dia miasa ho fiarovana ny tanimboly

amin’ireo fahavalo maro toy ny biby, ny bibikely

ii. Loharanom-bola ary manampy amin’ny fiarovana

ny tontolo iainana

iii. Manome anjara asa amin’ny ady amin’ny fiafazan’ny

rivotra sy ny fikorinan’ny rano mafy be loatra

iv. Manome aloka hoan’ny mpamboly sy ny biby

v. Mamaritra ny tanimboly

vi. Miaro amin’ny ala-botry eny an-tanimboly

vii. Manampy ny voly amin’ny fitombonan’ny fakany sy ny

fidiran’ny rano anatin’ny tany

viii. Ohatra : Raketa sy ny fefy tsilo izay hita amin’ny sary ary

manome aina sy tsiro ny voly, ireo karazan-kazo maro samihafa

toy ny hazo fihinamboa.

2) FEFY MATY

Ny fefy maty dia fefy vonjimaika vita amin’ny ratsan-kazo

sy fakan-kazo na vato/fasika, atao mifanaingina, ahafahina

miady amin’ny riaka, sy ny rivotra.

- Afaka atao fefy vonjimaika iarovana amin’ireo mety ho

fahavalon’ny voly

- Miasa ho aroafo. Ohatra fefy azo apiasana :biriky,

baingan-tany, sns

Page 10: TOROLALANA NY AMIN’NY · Mamay be ny andro sady mandoro be ny masoandro. Lasa lava kokoa ny fotoanan ny haintany Lasa misy rivodoza mahery vaika izay tsy mahazatra ny faritra Tsy

VI. NY ZEZIKA

8

Ny fiovan’ny toetrandro dia manana fiantraikany mivantana sy tsy mivantana eo fiovan’ny tsiron’ny tany.

NY ZEZIKA dia :

- Entina hanatsarana ny toetry ny tany indrindra ny eny an-tanety izay tsy dia lonaka loatra,

- Hanatsarana bebe kokoa ny tanimbary (raha voly avotra no atao)

- Ho sakafon’ny zava-maniry

1) ZEZIBAZAHA

Tsy dia tsara ny fampiasana ny

zezika simika noho ny voka-

dratsiny eo amin’ny tontolo

iainana (NPK, urée…)

- Ny NPK dia manamafy ny tany raha ohatra ka

tsy ampy ny zezika organika ampiasaina, satria

ho tsihifin’ny voly avy hatrany ny NPK ka tsy ho

ampy ny akora manamasaka ny tany.

- Ny NPK dia mandoto ny rano sy ny rivotra ihany

koa, satria mamoaka entona miatraika amin’ny tontolo iainana.

2) ZEZIKA ORGANIKA :

Misy karazany maro ny zezika organika :

a) Zezi-pahitra

Azo avy amin’ny fahalovan’ny tain’omby sy ny lafika natao an-tranon-biby

ary mahalonaka ny tany:

1. Hatao betsaka sy soloina matetika ny lafiky ny biby mba hifoka tsar

any tay sy ny amanin-biby

2. Hamboarina ny toerana misy ny zezika mba tsy hisian’ny fitsihana

be loatra;

3. Tandremana tsy ho maina ary tondrahana rano matetika

b) Zezika kisoa

Ny zezika azy avy amin’ny kisoa dia azo avy amin’ny tai-kisoa, ka

afangaro amin’ny bozaka maina sy ny vilona. Angonina ka afaka

ampiasaina amin’ny voly akoatra ireo zay voly ho anina manta toy ny

(salady, frezy…) noho izy mety mankarary.

Page 11: TOROLALANA NY AMIN’NY · Mamay be ny andro sady mandoro be ny masoandro. Lasa lava kokoa ny fotoanan ny haintany Lasa misy rivodoza mahery vaika izay tsy mahazatra ny faritra Tsy

VI. NY ZEZIKA

9

c) Zezik’osy sy ondry

Ny mampiavaka azy ireo dia izy masiaka. Mba ahatsara azy dia afangaro

amin’ny zezi-pahitra na zezika kisoa.

d) Zezika taim-bakona sy ny avy amin’ny bitro

Anisan’ny zezika masiaka ihany koa izy ireo, ka mampamokatra be raha to aka

afangaro amin’ny tahom-bary sy vilona.

3) ZEZIKA VOAVOATRA NA KAMPAOSITA

Azo avy amin’ny fifangaroan’ny fakon-java-

maniry sy taim-biby ary avela hiara-lo.

Ireo fako ampiasaina : ahi-dratsy - taho sy

voditaho voapotipotika (laisoa, sns) - tahon-

katsaka sy voly efa malazo toy ny ovy, voatabia,

mangahazo – vilona isan-karazany

notapatapahina madinika – faikam-boanjo,

ravin-kazo sy tapa-kazo – hoditra legioma,

legioma sy voankazo lo – taim-biby isan-

karazany – lavenona avy amin’ny kitay ahazoana

potasy.

1. Apetraka amin’ny toeranamaloka tsy azon’ny

masoandro ireo fakofako;

2. Ampifangaroana amin’ny tany;

3. Tondrahana matetika mba hiara ho lo tsara

ny tany sy ny fakofako

4. Haroina matetika sy afatratra tsara

5. Rakofana tany

6. Vita ary azo apiasana afaka telo volana

Page 12: TOROLALANA NY AMIN’NY · Mamay be ny andro sady mandoro be ny masoandro. Lasa lava kokoa ny fotoanan ny haintany Lasa misy rivodoza mahery vaika izay tsy mahazatra ny faritra Tsy

VI. NY ZEZIKA

10

4) ZEZIKA MAITSO

Ireo dia karazana zava-maniry izay mahalonaka ny tany. Izy ireo dia atao fampivadiana na

fifampidimbiasan’ny voly amin’ny voly fototra.

- Mahalonaka ny tany ary azo avadika hanaovana kaomposta

- Afaka ampiasaina anaovana voly rakotra

- Miaro ny voly fototra amin’ny fiadivana ny aretina sy biby kely

- Atao sakafo hoan’ny biby fiompy

Arak’izany dia ireto avy ny karazana zezika maitso tena fampiasa :

Karazan-javamaniry Fampiasa azy Ny

endriny

Stylosanthes guianensis

Zezika maintso (misitona Azota ) sy sakafom-biby (tsy mila

anketsa)

Bozaka

Bracharia sp. (B. Brizantha, B. ruziziensis, B. decumbens, B.

humidicola)

Zezika maintso (manalemy tany mafy, misitona ny tsiro tany) sy

sakafom-biby

Bozaka

Crotalaria retusa (Ambarivatrindolo, Voapika)

Zezika maintso (misitona Azota ) sy miaro sisin-tany

Bozaka

. Avena sativa et Avena strigosa (Avoine)

Zezika maintso (misitona ny tsiro tany)

Bozaka

Mucuna pruriens (Agy, takilotra

Zezika maintso (misitona Azota ) sy sakafom-biby (tsy mila

anketsa)

Bozaka

Page 13: TOROLALANA NY AMIN’NY · Mamay be ny andro sady mandoro be ny masoandro. Lasa lava kokoa ny fotoanan ny haintany Lasa misy rivodoza mahery vaika izay tsy mahazatra ny faritra Tsy

VI. NY ZEZIKA

11

Karazan-javamaniry Fampiasa azy Ny

endriny

Cajanus Cajan (Ambatry)

Zezika maintso (misitona Azota ), miaro sisin-tany sy sakafom-

biby

Hazo

malemy

Tephrosia Vogelii

Zezika maintso (misitona Azota ), miaro sisin-tany sy afaka atao

fanafody miady amin’ny biby kely manimba voly

Hazo

malemy

Leucena leucocephalia (Bonara mantsina)

Zezika maintso (misitona Azota ), miaro sisin-tany, sakafom-

biby, sy manome aloka hoan’ny voly

Hazo

malemy

Anacardium occidentale Mahabibo

Sakafo olona sy manome aloka hoan’ny voly

Hazo

malemy

Albizia lebbeck

Zezika maintso (misitona Azota ), manome aloka ny voly

Hazo

Moringa oleifera (Ananambo)

Sakafo Olombelona (manakarena: Vit C, A sy K, Ca,…) , miaro

sisin-tany sy manome aloka ny voly

Hazo

Page 14: TOROLALANA NY AMIN’NY · Mamay be ny andro sady mandoro be ny masoandro. Lasa lava kokoa ny fotoanan ny haintany Lasa misy rivodoza mahery vaika izay tsy mahazatra ny faritra Tsy

VII. VOLY LEGIOMA

12

Anisan’ny paik’ady entin’ny tantsaha miatrika ny fiovan’ny toetrandro ny fanaovana karazam-boly maro.

1) TOERAM-PAMBOLENA

- Tsy lavitra ny tanana satria mila fikarakarana maro

- Toerana tsy dia maloca na feno hazo satria mila

hazavana ny voly

- Tany marin-drano na somary misolampy kely

- Tany tsy voan’ny tondra-drano ary azo asiana tatatra

fitsihifan-drano ary ny rano amban’ny tany eo

amin’ny 80 sm. Fa kosa misy rano tsy tapaka akaiky

(indrindra rehefa amin’ny fotoana maina)

- Manana nofo-tany maivana sy mahavokatra (mora

havadika hatrany amin’ny 20-30 sm)

2) FANOMANANA NY TANY

- Kendrena hisy tatatra manodidina ny tanimboly

(mba hisakana ny ranovohitra

- Atao avo noho ny lalana ny sori-boly, amin’ny

fotoana be orana, ary amin’ny fotoana maina

kosa dia atao mitovy haavo ny lalana sy ny sori-

boly mba hikajiana ny hamandoana.

- Mila asaina lalina ny tany 20-30 sm ary ny ahitra

dia alevina any ambany

- Ireo vahatra hakata mahery dia esorina ary toy izany ko any vato sy ny vaingan-tany mahery

- Fatran’ny zezika tsara atao isakin’ny m2 :

3) FAMOKARANA ZANA-BOLY

- Tany voadio tsy misy aretina, no hampiasaina. Afaka

atao amin’ny alalan’ny fandrakofana ny tany amin’ny “sachet

plastique” mainty ny tany mandritran’ny ora maromaro.

- Ankoatry ny zezika fototra voalaza etsy ambony, dia

mila mampiasa zezika masaka malemy tsara, afangaro

amin’ny tany (halalina 10 sm).

- Esorina ny fakofako sy vaingan-tany.

- Atao mialoha ny fanondrahana mba tsy ho voakorontan’ny rano fanondrahana ny masomboly,

- Afafy manify mielanelana 1-2 sm manaraka ny tsipika, Ohatra: Laisoa, soflera, salady, baranjely,

tongolo be, sakay be, voatabia, petsay,

- Fafàzana vovo-jezika manify hanotofana ny masomboly,

Zezik’omby 50-75 kg/ 10 m².

Tain’akoho sy vorona 30 kg/ 10 m².

Zezi-pako na kampaosta 50-80 kg/ 10 m².

Lavenona 2-3 kg/100 m²

Tany ratsy asa

Page 15: TOROLALANA NY AMIN’NY · Mamay be ny andro sady mandoro be ny masoandro. Lasa lava kokoa ny fotoanan ny haintany Lasa misy rivodoza mahery vaika izay tsy mahazatra ny faritra Tsy

VII. VOLY LEGIOMA

13

- Rakofana bozaka manaraka ny lavan’ny sori-boly, izany hoe mitsivalana amin’ny

tsipika. Izany no atao mba hikajiana ny hamandoana koa ny rakotra (maina),

- Raha mahery loatra ny tara-masoandro, dia asiana alokaloka hanalefahana ny

hafanan’ny tany (fasehana), izay mety hanimba ny zana-boly.

- Toy izany koa, raha mbola misy oram-baventy, dia ilaina ny miaro ny fafy amin’ny

alalan’ny lamba tsy lena fotsy

- Rehefa feno 3-4 ravina ny zana-boly ary fanetsana dia atao amin’ny folakandro

na fotoana tsy misy hain’andro mafana.

- Avy notondrahana ora 1 mialoha ny fafy mba ahamora ny fandraisana ny zana-

boly

- Aketsa haingana mba tsy ho maina ny zana-boly avy nongotana

- Tandremana mba tsy hiforitra na ho folaka ny vahatra; tohofana tany tsara hatreo

amin’ny atoky ny zana-boly;

- somary asiana tatatra kely manodidina ny fototra, mba tsy hiandronan’ny rano

loatra ny fototra;Arahana fanondrahana rano avy hatrany mba hifandray tsara amin’ny

tany ny vahatra ;

- Asiana ravin-kazo, manaloka ny zana-boly avy naketsa hiarovana azy amin’ny

hain’andro be loatra mandritra ny 2-3 andro.

- Haverina tondrahana kelikely isa-maraina, ary rehefa mivelatra ny ravina dia

kendrena mba tsy ho voatosaky ny rano be loatra,

4) FIKARAKARANA NY VOLY

a) Fanesorana ireo matevina mba hitombo tsara ny

vokatra (hoan’ireo natao fafy raikitra)

b) Mila hevona ny tany mba hisy fiveziveze’ny rivotra.

c) Mila fanohofana ny tany mba hitohaka amin’ny foto-

boly

d) Mila fanohanana ny legioma sasany mba tsy

hifandray amin’ny tany toy voatabia, haricot vert, sns

e) Ny fanondrahana dia tena ilaina rehefa maintany ary

eny foto-boly no manondraka. Ilaina manisy rakotra

mba hitana ny hamandoana.

Page 16: TOROLALANA NY AMIN’NY · Mamay be ny andro sady mandoro be ny masoandro. Lasa lava kokoa ny fotoanan ny haintany Lasa misy rivodoza mahery vaika izay tsy mahazatra ny faritra Tsy

VIII. HAZO FIHINAMBOA

14

TEKNIKA FAMOKARANA ZANAKAZO

1) Botiora

a) Botiora tsotra

- Fidiana tsara ny taho matoy (herintaona), salama tsara, misy masony

- Tapahana tokony ho 20 ka hatramin’ny 30 sm ny taho fehezina atao pake ny botiora maromaro

dia atsatoka amin’ny alagnana (fasika) mando mba tsy hahafaty azy nydian’antsy

- Rehefa avy eo dia atsatoka mahitsy amin’ny tany na somary misompirana ny taho

voatapatapaka alentika anaty tany ny 2/3 n’ny taho miaraka amin’ny masony iray, ary avela ho

ety ambony ivelany ny masonyroa hafa

- Atao manaraka “ligne” mielanelana 60 sm ny “ligne” roa ary 10 sm no elanelana botiora. Azo

atao koa ny manao azy anaty “pot” ka rehefa mahazo fakany dia afindra amin’ny toerana

hambolena azy amin’ny fotoana hiatoan’ny fitsiriana (ririnina, na maintany)

- Kendrena mba tsy hihintsana ny tany mandrakotra nyfakany mandritra ny famindrana

(fitaterana)

b) Botiora miaraka amin’ny sefany

- Tapahana 2 sm ambony sy ambanin’ny sefany taho izay atao botiora

- Mitovy tsy misy valaka amin’ny botiora tsotra ny fambolena azy

c) Botiora misy fiantoy (en crossette)

- Mitovy amin’ny eo ambony fa tapahana 2 sm ny sampana ambonin’ny foto-tsapany

2) Markotazy

a) Markotazy mandry

- Atao amin’ny karazan-kazo misy sampana lava sy malefaka (voaloboka, paoma)

- Manao lavaka 15 ka hatramin’ny 20 sm ny halaliny eo anilan’ny renihazo (na maka tany iray sobika)

Page 17: TOROLALANA NY AMIN’NY · Mamay be ny andro sady mandoro be ny masoandro. Lasa lava kokoa ny fotoanan ny haintany Lasa misy rivodoza mahery vaika izay tsy mahazatra ny faritra Tsy

VIII. HAZO FIHINAMBOA

15

- Aforitra anaty lavaka na ny sobika ny sampana iray efamatoy amin’ny reny hazo ka tazonina amin’ny

tsatoka totofana tany ny faritra anaty lavaka

- Tazonina amin’ny tsatoka mba hitraka ary

azonina hatrany ny hamandoana

b) Markotazy voatototra “en butte » na « cépée »

- Fanao amin’ny karazan-kazo afaka

mamoaka sampanatsimoka rehefa

voarantsana toy ny paoma rantsanana ireo

sampana eo amin’ny 10-15 sm ambonin’ny

tany

- Totofana hatreo amin’io haavo io

c) Markotazy eny amin’ny tahony

- Alana ny raniny amin’ny ratsany ampiasaina

- Fonosina sachet misy tany sy fasika)

- Tazomina mando, mandram-panirin’ny

fotony.

3) Grefy

Fametahana ny zana-grefy na “greffon” avy amin’ny hazo tiana

hanatsarana vokatra eo ambonin’ny hazo iray hafa atao hoe “porte

greffe” izay (taloha tiana hatsaraina) mitondra ny fakany.

Ireo fomba fanaovana grefy:

• grefy “en fente simple” na “à l’anglaise”

fanao amin’ny taho efa matoy na mbola tanora

• grefy « en placage »

mba ahazoana antoka ny hatsarana sy ny karazan-kazo dia tsara ny maka izany any amin’ireo mpamokatra

azy manokana

a) Grefy “en fente simple” na “à l’anglaise” - Fanao amin’ny taho efa matoy na mbola tanora

b) Grefy « en placage de copeau »

Fambolena

1. Manao lavaka 30 sm x 30 sm eo anivon’ny lavaka efa nomanina, sy

nofenoina ;

2. Hanesorana ny ampahefatry ny fakany, anesorana ny raviny.

3. Apetraka moramora anaty lavaka voaomana ka aparitaka tsara ny

fakany

4. Tazonina tsara ny zana-kazo ka averina ny tany nesorina

mandrapaha-rakotra tanteraka ny faka

5. Tsindriana tsara ny tany manodidina ny fotony ka atao miendrika

havoana kely tokony ho 15 sm ambonin’ny tany ny haavony.

6. Ny fototry ny zana-kazo “collet” na “point de greffe” dia tsy maintsy hita mivoaka ivelan’ny tany

7. Rakofana ahitra ny manodidina mba hitazonana ny hamandoana indrindra any amin’ny faritra maina

Page 18: TOROLALANA NY AMIN’NY · Mamay be ny andro sady mandoro be ny masoandro. Lasa lava kokoa ny fotoanan ny haintany Lasa misy rivodoza mahery vaika izay tsy mahazatra ny faritra Tsy

IX. FIADIVANA AMIN’NY ARETINA SY NY BIBIKELY

16

Tsapan’ny tantsaha ankehitriny noho ny fiovan’ny toetrandro dia lasa mirongatra ny fanamban’ny voly izay

ataon’ny bibikely sy ny aretina izay maro no tsy mahazatra ary tsy fahita teo aloha ka ny lojy syn y katsaka

no tena lasibatra amin’izany.

Maro ny fanafodim-bazaha na fanafody simika no mitombaka eny an-

tsena entina miady amin’ny aretina sy bibikely mpahazo ny voly. Kanefa

efa hita ankehitriny fa dia sady manimba tontolo iainana izy ireny no

mora mihendanja ny heriny rehefa avy nampiasana matetika. Satria ny

aretina sy ny bibikely ihany koa rehefa vonoina amin’ny fanafody iray

mitovy foana dia mampitombo ny heriny izy ireo ka lasa afaka mazaka

ny fiantraikan’ilay fanafody.

VOLY MATANJAKA, rehefatsara karakara ny voly izany hoe tany masaka, tsara rano dia mamoka

hery fiarovana ny entina miady amin’ny bibikely sy aretinay. Ary koa

araho ireo paika fampiarana sy fifandimbiasana voly.

ASORY IREO EFA VOA, raha mbola tsy maro ny voly tratran’ny aretina

sy ny bibikely dia aleo asorin’ireo izay voa.

MAMPIASA FANAFODY NATORALY, maro ireo fanafody natoraly na

ady gasy azo ampiasaina.

Ireto misy ady gasy vitsivitsy azo ampiasana

Marihana fa ny fampiasana ny ady gasy dia tsara kokoa raha mbola tsy miparitaka be ny aretina sy ny

bibikely. Maro amin’reo ady gasy no azo ampiasaina mialohan’ny fisian’ny aretina sy bibikely eo

amin’ny voly.

1) ADY GASY AMIN’NY BIBIKELY

Voandelaka + Neem

Asany: Miady bibikely. Ohatra ny voana na voangory kely

mainty, kimboamboa, sakivy, sns

Fanamboarana azy :

1. Maka ravina voandelaka 2 kilao ary totoina ary avy

eo dia halona anaty rano 10 L mandritra ny alina. Ny

maraina kosa dia fafazana eo amin’ny voly.

2. Maka tamotamo 0,5kilao ampiana voam-

boandelaka 02 kapoaka ary dia totoina ary afangaro

amin’ny masomboly ho volena.

3. Maka voam-boandelaka 0,5 kilao ary voasana ary

alaina ilay voany ary totoina ary afangaro amin’ny

ranon-tsavony gasy 10 L. Ary afafy eo amin’ny voly.

Marihana fa tsy azo tehirizina avy ampiasaina avy

hatrany.

Page 19: TOROLALANA NY AMIN’NY · Mamay be ny andro sady mandoro be ny masoandro. Lasa lava kokoa ny fotoanan ny haintany Lasa misy rivodoza mahery vaika izay tsy mahazatra ny faritra Tsy

IX. FIADIVANA AMIN’NY ARETINA SY NY BIBIKELY

17

Sakay pilokely

Asany: Miady amin’ny bibikely Ohatra kimavo na ramerina,

olipanjehy, olitra mainty

Fanamboarana azy: Fampiasana sakay pilokely sy molaly

samy roa sotro fihinana ary rano 10 litatra

2) ADY GASY AMIN’NY ARETINA

Consoude

Asany: Miady amin’ny aretina lagaly

Fanamboarana azy:

Maka ravina consoude ½ kilao totoina miaraka amin’ny

tamotamo ½ kilao ary ampiarahana amin’ny ranon-tsavony gasy

10 L ary alona indray alina.Ary afafy amin’ny voly.

Taretra

Asany: Miady amin’ny aretina lagaly sy holatra

Fanamboarana azy:

Maka ravina taretra 1 kilao ary totoina miaraka amin’ny ranon-

jezik’omby vao izany dia avela hilona mandritra ny telo andro.

Ary afafy amin’ny voly.

Marihana fa ilay ranon-tsavony

dia natao ho fandraiketana ny

fanafody ary azo atao ko any

mampiasa vary sosoa marihatra,

ranon’ny mangahazo maintso na

maina nandrahoina na mamin-

tantely 2 na 3 sotro fihinanana.

3) FAMPIARANA SY FIFAMPIDIMBIASANA VOLY MIADY AMIN’NY ARETINA SY BIBIKELY

Mucuna/Karazana voa - Katsaka + Sorgho , Vomanga

Ampifandimbiasina amin’ny katsaka sy Sorgho na karazana voa na ny Mucuna. Izany hoe rehefa vita ny

voly mucuna dia avadika ho zezika amin’ny tany

hambolena katsaka sy sorgho. Entina miady amin’ny

bibikely maro samihafa izay manimba ireo voly ireo.

Mandalo dia raikitra+ Farinomby + Katsaka

Rehefa antambatra ireo voly ireo dia afaka miady amin’ny

“Chenille legionnaire

Page 20: TOROLALANA NY AMIN’NY · Mamay be ny andro sady mandoro be ny masoandro. Lasa lava kokoa ny fotoanan ny haintany Lasa misy rivodoza mahery vaika izay tsy mahazatra ny faritra Tsy

X. FAMPIVADIANA SY FIFANDIMBIASAM-BOLY

18

Matetika dia kely ny faritra hampiasainy tokantrano iray ary ny voly vary sy ireo izay tena ilainy tsena eo

an-toerana no hambelona. Kanefa mba hiantrehana ny fiovany toetrandro dia ilaina ny manova ireo fomba

izay tsy mahomby. Anisan’izany ny fambolena voly tokana eo amin’ny toerana iray ka tsy misy fampivadiana

na fifandimbiasan’ny voly.

NY FAMPIVADIANA SY FIFANDIMBIASAM-BOLY

Dia teknika izay entina:

1) Hisorohana ny tany tsy ho lany tsiro

Ohatra ilaina ny mampifandimby ny voly mila zezika maro (Laisoa, Soflera, Petsay, Zepinara) amin’ireo

mivelona amin’ny zezika maivana (Karaoty, Tongolo) sy

amin’ireo Legiminaozy na voly beravina (Tsaramaso,

Soja) izay mamerina ny tsiro ny tany amin’ny alalan’ireo

bokaboka amin’ny fakany izay misitona ny azota

mivantana avy amin’ny rivotra.

2) Hiadiana amin’ny fiparitahan’ny aretina sy

ny bibikely

Ohatra ny hampifandimbiasana ny laisoa sy petsay (izay

hohanin’ny Maitsokely) amin’ny Karaoty sy Tongolo

(izay tsy tian’ny Maitsokely)

Ireto ny karazana fifandimbiasana atao mba

hanatsarana ny tany ary maharitra fampiasana azy.

Voly 1: voly fihinam-boa (baranjely, soflera,

voatabia, sns)

Voly 2: voly fihinan-dravina (Anana, Laisoa,

Zepinara, Salady, Selery, sns)

Voly 3: voly fihinam-body (betiravy, karaoty,

tongolo be, ovy, sns)

Voly 4: voly mamokatra voa (tsaramaso, soja,

katsaka, sns

Page 21: TOROLALANA NY AMIN’NY · Mamay be ny andro sady mandoro be ny masoandro. Lasa lava kokoa ny fotoanan ny haintany Lasa misy rivodoza mahery vaika izay tsy mahazatra ny faritra Tsy

X. FAMPIVADIANA SY FIFANDIMBIASAM-BOLY

19

Rehefa hanao fifandimbiasam-boly dia mila zaraina ny faritra ary ezehana ny tsy hiveraniny voly iray

mitovy amin’ny tany ratsy efa ela indrindra.

Voly 1 Voly

fanampiny Ny mampiavaka azy

Katsaka +

sorgho

Mucuna

(amin’ny

fanodonana

voly)

Mucuna dia manadio ny tany amin’ny bibikely Heteronychus plebejus

ary manalavitra ny bibikely manidina. Atao mihodina aloha na

aorian’ny voly katsaka sy sorgho.

Desmodium

+ herbe

éléphant

(amin’ny

fanodonana

voly)

Ny fmoba fiasa « Push Pull ». Push : Silverleaf Desmodium na

"Mandalo dia raikitra" dia manalavitra ny bibikely makany amin’ny

zava-maniry tiany kokoa na fandrika Pull (Herbe éléphant na

"Farinomby" na Pennisetum purpureum) ambolena manodidina ny

voly.

Vomanga

Mucuna

(amin’ny

fanodonana

voly)

Mucuna dia manadio ny tany amin’ny bibikely Apion izay manomba

ny fototry ny vomanga.

Légumineuses (tsaramaso,

kabaro, …)

Mucuna

(amin’ny

fanodonana

voly)

Nymucuna coupe dia manadio ny tanimboly amin’ny olitra

(Helicoverpa armigera) mihinana ny raviny sy ny voany, ary manapaka

ny fimparitahiny.

voly mamokatra voa (4)

- Tsaramaso

- Katsaka

- Petipoa

voly fihinan-dravina (2)

Zepinara

- Anana

- Laiso

- Salady

- Tisam

voly fihinam-body (3)

- Karoty

- Nave

- Betiravy

- Ovy

voly fihinam-boa (1)

- Poaviro

- kokombra

- Voatavo

Page 22: TOROLALANA NY AMIN’NY · Mamay be ny andro sady mandoro be ny masoandro. Lasa lava kokoa ny fotoanan ny haintany Lasa misy rivodoza mahery vaika izay tsy mahazatra ny faritra Tsy

20

Page 23: TOROLALANA NY AMIN’NY · Mamay be ny andro sady mandoro be ny masoandro. Lasa lava kokoa ny fotoanan ny haintany Lasa misy rivodoza mahery vaika izay tsy mahazatra ny faritra Tsy

XI. NY FIOMPIANA TRONDRO ANTANIMBARY

21

1) TANIMBARY TSARA HIOMPINA TRONDRO

- Misy rano azo antoka sy azo fehezina tsara mandritry ny taona, tsy atahorana ho dobo-drano ;

- Tany Mitana rano ;

- Tratry ny masoandro ;

- Lavitry indostria, sy ny fahalotoana.

2) FANAMBOARANA MANOKANA NY TANIMBARY HIOMPIANA TRONDRO

a) Tahalaka

- Ampiakarina ho 50 sm ny hahavo sy ny sakan’ny tahalaka mba isorohan’ny fihoaran’ny rano sy fahavakisan’ny tanimbary.

b) Fidiran-drano

- Asiana makarakaram-by ny

fidiran’ny rano iarovana

amin’ny fahavalon’ny trondro (foza, fibata…) ;

- Tsara raha manana fidiran-drano sy fivoahan-drano mahaleo

tena ny tanimbary, anamora ny fitantanan’drano ;

- Herinandro alohan’ny handrotsahana ny zana-trondro no

mampidi-drano.

c) Tatatra fieren’ny trondro

- Ao anaty tanimbary, mandavaha tatatra

fieren’ny trondro mba :

➔ Azo androtsahina zana-trondro alohan’ny fanetsana ;

➔ Hieren’ny trondro rehefa mihena ny rano na koa

rehefa mangatsiaka ny rano ;

➔ Manamora ny fanjonoana ireo trondro.

d) Valan-jezika

- Ny valan-jezika dia toerana androtsahina fako biolojika sy zezika, izay

ampitombo ny bibikely sakafon’ny trondro.

- Fefy rari-hazo amin’ny tady atao ami’ny sisin’ny tanimbary ;

Page 24: TOROLALANA NY AMIN’NY · Mamay be ny andro sady mandoro be ny masoandro. Lasa lava kokoa ny fotoanan ny haintany Lasa misy rivodoza mahery vaika izay tsy mahazatra ny faritra Tsy

XI. NY FIOMPIANA TRONDRO ANTANIMBARY

22

3) ASA ATAO MANDRITRA NY FIOMPIANA

a) Isan’ny zana-trondro arotsaka

Raha fahanana zezika fotsiny:

Raha zezika + sakafo fameno:

Zana-trondro 25/ara (1 na 2 isaky ny m

2) Zana-trondro 50/ara (4 na 5 isaky ny m

2)

b) Fandrotsahana ny trondro

Anesorana ny rano ao amin’ny fitondrana ary tapohina amin’ny ranon’ny dobo mba ampitovitovy ny

hafanan’ny rano, zay vao avela hivoaka tsikelikely ny trondro.

c) Fampiroboroboana ny sakafo voajanahary

Akora ampiasaina : Zezik’omby + apombom-bary + fako biolojika

Fatra ilaina :(6 kg/ara/isan-kerinandro)

Fomba fanarahamaso :Araraka anaty valan-jezika ireo akora ireo isan-kerinandro.

Arahimaso isan-herinandro ny fahamaintson’ny rano, amin’ny alalan’ny vilia fotsy

fantsihina amin’ny hazo lava. Alentika anaty rano io ka rehefa tsy tazana ny vilia

dia refesina ny faritra mando.

d) Fitondrana sakafo fameno

Akora ampiasaina:

Ampombo : vary, varim-bazaha, katsaka, mangahazo, vomanga na saonjo masaka.

Faikan’ny (tourteaux) : voanjo, sôja, vovo-trondro, voan’ny landihazo.

Raha mihoatra ny 40 sm ny

alaliny

Tsy ampy ny zezika ka tapenana ny rano miditra sy mivoaka ary ampiana

zezika vaovao

Raha latsaky ny 25 sm Matavy loatra ny rano ka atao betsaka ny rano miditra sy mivoaka

ary ajanona ny fanampiana zezika mandritra ny herinandro

Raha anelanelan’ny 25 sy 40 sm METY ny fatran’ny zezika sy ny fandrindrana rano

Toa izao ny

tanimbary

voahomana

hiompiana

trondro.

Page 25: TOROLALANA NY AMIN’NY · Mamay be ny andro sady mandoro be ny masoandro. Lasa lava kokoa ny fotoanan ny haintany Lasa misy rivodoza mahery vaika izay tsy mahazatra ny faritra Tsy

XII. NY FIOMPIANA TRONDRO ANDOBO

23

Maro ny karazan-trondro azo ompiana an-dobo fa ny amporisihina eto dia ny fiompiana KARIPA sy tilapia

noho izy ireo mora ompiana sy azahoam-bola aingana. Ireto toro-hevitra ireto dia natao handrindrana ny

rano amin’ny fiompiana trondro. 1) NY TOERANA TSARA HIOMPIANA TRONDRO AN-DOBO

- Tany azahoana rano madio mandritry

ny taona eo amin’ny 10 litatra isan-

tsegondra, izany hoe mahafeno 8 m3

anatin’ny iray andro ; - Tany somary misolampy malefaka

(2-8%) ;

- Tany mitan-drano na tsy mifoka rano

(tany be tanimanga) ampihena ny

fahaverezan-drano

- Tany tratry ny masoandro.

2) FANAMBOARANA TOKONY ATAO

a) Aro-riaka manodidina ny dobo

Raha toa ka iva-toerana ny dobo dia mila

arovana mba tsy ho tototry ny riaka avy

amin’ny manodidina. Asiana tata-drano avy

any amin’ny fiavian’ny rano.

b) Dobo fanangonan-drano

Mba isorohina ny tsy fahampin-drano na

fibosahiny be loatra dia mila dobo fanangonan-drano.

c) Fanamboarana ny dobo

Eo amin’ny 0,80 m ny hatramin’ny

1,20 metatra eo ny alalin’ny rano

ary atao misolampy ny

fanambanin’ny dobo.

- Mila tanimanga ny

fanambanin’ny dobo.

d) Fanamboarana ny fefiloha

Mila amafisina tsara any fefiloha mba ialana amin’ny vahavakisany na

fitresahiny. Ny akora ananganana azy dia bainga, tanimena, mety ihany

koa raha tany anaty gony. Damàna tsikelikely ary volena vilona ny faritra

tsy tratry ny rano itazomana ny nofon-tany.

Page 26: TOROLALANA NY AMIN’NY · Mamay be ny andro sady mandoro be ny masoandro. Lasa lava kokoa ny fotoanan ny haintany Lasa misy rivodoza mahery vaika izay tsy mahazatra ny faritra Tsy

XII. NY FIOMPIANA TRONDRO ANDOBO

24

e) Ny fanarin-drano

Misy karazany roa (2) ny fanarin-drano:

- Ny moinina : izay fanarin-drano mametra ny

ahavon’ny rano, raha toa ka misy fihoarany ;

- Ny fantsona PVC : izay fandritana sy fanariana ny rano avy any ambany

Mila jerena sao manary rano aingana loatra ny dobo. Raha toa ka manary dia :

- Jerena ny manodidina ny fefi-loha raha misy mando na manary rano ;

- Raha misy dia vakiana eo amin’ny fefiloha manary, ka tovanana tani-manga ary damàna;

- Raha tsy misy dia mila ritina ny rano, ary amafisina ny fanambanin’ny dobo fa manary rano.

Potehina ary ampiana tanimanga sy bozaka,hosena atao mamotaka, ary andrasana ho maina.

Page 27: TOROLALANA NY AMIN’NY · Mamay be ny andro sady mandoro be ny masoandro. Lasa lava kokoa ny fotoanan ny haintany Lasa misy rivodoza mahery vaika izay tsy mahazatra ny faritra Tsy

XIII. KARIPA SY TILAPIA

25

1) NY MOMBA NY TRONDRO

Miankina amin’ny toetr’andro sy toe-tany any amin’ny toerana nanorenana ny dobo no hisafidianana izay

karazan-trondro hompiana mba tsy hahadiso ny fitantanana.

a) Ny KARIPA :

- mila toerana malalaka (1-2 isaky ny m2) ;

- mila hafanana eo amin’ny 22-30°C;

- mila rano lalina sy tsara kalitao ;

- Mitombo aingana kokoa .

b) Ny tilapia :

- Mora ompiana ary tsy dia sarotiny (5-10 isaky ny

m2);

- Mila hafanana eo amin’ny 24-28°C ;

- Mafy aina kokoa raha hoarina amin’ny KARIPA ;

2) FISAFIDIANANA NY ZANA-TRONDRO

Miankina amin’ny fahatsaran’ny zana-trondro ny

fahombiazan’ny fiompiana trondro.

-Tsy mety ny mampiasa zana-trondro efa nialin-taona na

ahitana fahasamponana ara-batana : (i)mivilana lamosina, (ii)

ngeza noho ny vatany ny lohany.

-Tsara raha any amin’ireo toerana mpamokatra zana-trondro no

hividianana izany ;

- Ho an’ny tilapia : Tandremana ny karazan-trondro tilapia zilli fa sady fahavalon’ny karazana

tilapia hafa, no tsy mitombo.

3) FAMPIDIRAN-DRANO

- Rehefa tafa-petraka tsara ny fiarovana amin’ny biby

kely sy karazan-trondro hafa, ka efa namasahina

tamin’ny zezika ny dobo dia ampidirina ny rano;

- Tsy tokony hihoatra ny 5 andro ao arinan’ny

fampidiran-drano dia miditra ny zana-trondro mba

ialana amin’ny fitombon’ny fahavalo anaty rano.

4) NY FANOMEZANA SAKAFO

a) Valan-jezika (60% n’ny sakafo ilain’ny trondro)

- Amasahina tsikelikely ny rano ary arahina amin’ny fitaovana fanarahina

(jereo ao @ trondro an-tanimbary) mba tsy anoloana rano be loatra.

Page 28: TOROLALANA NY AMIN’NY · Mamay be ny andro sady mandoro be ny masoandro. Lasa lava kokoa ny fotoanan ny haintany Lasa misy rivodoza mahery vaika izay tsy mahazatra ny faritra Tsy

XIII. KARIPA SY TILAPIA

26

- Rehefa tafiditra ao amin’ny dobo efa namasahana ny zana-trondro dia tsy omena sakafo

mandritra ny 3 andro voalohany, fa avela ivelona amin’ny bibikely ao anaty rano, ialana amin’ny

firoborobon’ny « plancton » be loatra.

b) Fanampin-tsakafo (40% n’ny sakafo ilain’ny trondro)

- Zaraina in-3 na hatramin’ny in-4 ny isan’andro ny famahanana ny trondro mba ampihena ny

sakafo very ;

- Tsara raha ny ariva no fahanana ny trondro satria mafana ny rano ka mazoto homana ny trondro

;

- Asiana toerana voatokana ny hisakafoanany (lavitra ny fivoahana sy fidiran’ny rano).

- .

Carpa : ny KARIPA dia tsy mifidy sakafo, fa mihinana izay rehetra omena azy. Tia mitrongy ny fanambanin’ny

dobo ihany koa izy.

Tilapia : tsy mihinana ireo ambin-tsakafo miletika any amin’ny faran’ny dobo izy, noho izany, tsara raha

mampiasa mangeoire flottante mba tsy ampiparitaka ny ambin’tsakafo. Ny ambi-tsakafo tsy lanin’ny

trondro dia mandany ny oxigène anaty rano, ka mahatonga ny fanoloana rano matetika.

- Mila diovina matetika amin’ny passoire izay loto na ambon-tsakafo tsy lany.

5) NY FANARAHAMASO TOKONY ATAO

a) Arahina ny fiterahin’ny trondro :

Ny tilapia dia miteraka isam-bolana ka tokony arahina ny fitombon’ny trondro

anaty dobo. Mba ialana amin’ny fahafenoany be loatra ka tsy mampitombo

lanja ny trondro, dia tsara raha asiana fibata na carpe iray ao anaty dobo

manomboka volana faha -4, ihinana ny zana-trondro vao teraka.

b) Arahina ny fahamasahan’ny rano :

Ezahana tazomina ny famasahan’ny rano mandritry ny fotoam-

piompiana, ka sady tsy atao madio loatra no tsy maintso loatra.

c) Arahina ny fitombon’ny trondro : Mila lanjaina ny

trondro isam-bolana ahafahana manova ny fatra-tsakafo ho

aniny isan’andro.

Page 29: TOROLALANA NY AMIN’NY · Mamay be ny andro sady mandoro be ny masoandro. Lasa lava kokoa ny fotoanan ny haintany Lasa misy rivodoza mahery vaika izay tsy mahazatra ny faritra Tsy

XIV. FIOMPIANA ZANATRONDRO

27

Misy karazany 3 ny dobo ilaina amin’ny famokarana zana-trondro :

Ny dobo fampiarahina trondro dia tokony misy fanatodizan’ny trondro anamora ny fitsaikan’ny ranon’ain’ny lahy ny atody. Izany dia manatsara ny salan’isa fahafohizan’ny atody.

Aorian’ny fanatodizana :

- Afindra amin’ny dobo hafa ireo trondro lehibe mba tsy anakorotana ny ny trondro vao fohy ;

- Afindra moramora ao amin’ny dobon-janatrondro ny kakaban feno atody, ka atao akaiky fidiran-

drano ;

- Atao 30 sm ambanin’ny rano ny kakaban ao amin’ny dobon-janatrondro.

Page 30: TOROLALANA NY AMIN’NY · Mamay be ny andro sady mandoro be ny masoandro. Lasa lava kokoa ny fotoanan ny haintany Lasa misy rivodoza mahery vaika izay tsy mahazatra ny faritra Tsy

XIV. FIOMPIANA ZANATRONDRO

28

1) FISAFIDIANANA NY KARAZANA TRONDRO: KARIPA

Ny KARIPA commune (Cyprinuscarpio) dia misy karazany 4 :

- Ny

fampivadiana KARIPA lahy sy vavy, fitaratra sy fitaratra, na kirana sy kirana dia manatsara

famokarana.

a) Fanavahana ny KARIPA lahy sy vavy

- Horona ny kibon’ny trondro ka raha mandronono, dia LAHY.

- Anisan’ny trondro tsara ny KARIPA fitaratra :

- Ny kirany : lehibe mamiratra, mikorotana, ary tsy mitovy

ny abehiny eo ambany vombony an-damosina.

- Vombona malemy : mihotra ny 17.

b) Fanatodizan’ny KARIPA

Eo anelanelan’ny septambra hatramin’ny novambra no

manatody ny KARIPA. 10 hatramin’ny 15 ora aorianan’ny fampidirana azy anaty dobo no tokony hanatody ireo trondro

ireo, mandritra ny fiposahan’ny masoandro. Noho izany rehefa

avy ampiarahina ny lahy sy vavy dia tsy kotabaisina amin’ireo fotoana ireo.

c) Fepetra ilaina amin’ny KARIPA

- Lahy : feno 1 taona sy tapany ;

- Vavy : mahafeno 3 taona ary 1kg ;

- Trondro lehibe ilaina : 02 lahy/01 vavy ;

- Maripana latsaky ny 29°C ; -

2) FISAFIDIANANA NY KARAZANA TRONDRO: TILAPIA

FISAFIDIANANA NY

KARAZANA TRONDRO

Misy karazany 5 ny tilapia

fahita eto amintsika :

Page 31: TOROLALANA NY AMIN’NY · Mamay be ny andro sady mandoro be ny masoandro. Lasa lava kokoa ny fotoanan ny haintany Lasa misy rivodoza mahery vaika izay tsy mahazatra ny faritra Tsy

XIV. FIOMPIANA ZANATRONDRO

29

Ny tilapia nilotica oreochromis no atoro noho izy maroroka no mora ompiana.

a) Fanavahana ny KARIPA lahy sy vavy : jerena ny

« papille génitale »

Ny lahy: dia

mipetraka eo

aorian’ny fivoahan’ny

malotony , lava sady

maranitra ary misy lavaka eny amin’ny farany. Ny vavy: manana endrika boribory ary misy lavaka mahitsy.

Akaikin’ny fototry ny papille ao ihany koa no ahitanany « oviducte ».

b) Fanatodizan’ny tilapia

Eo anelanelan’ny oktobra hatramin’ny aprily no manatody ny KARIPA. Manatody im-betsaka izy ka

mielanelana 4-6 herinandro. Afaka manatody any amin’ny fanambanin’ny dobo izy, nefa koa azo atao ny mampiasa ny teknika fampiterahina mampiasa kakaban mba azahoana vokatra tsara kokoa.

c) Fepetra ilaina amin’ny tilapia

- Lahy : feno 6 na 7 volana ;

- Vavy : mahafeno 5 volana ary 10sm ;

- Trondro lehibe ilaina : 02 lahy/01 vavy ;

- Maripana mihoatra ny 22°C ; - Mila soloina isaky ny manatody in-3 ny atsasan’ireo trondro lahiny sy vaviny mpiterana.

SAKAFON-JANA-TRONDRO

Ny valan-jezika

Ny sakafo biolojika ateraky ny valan-jezika dia manome 60% n’ny sakafo ilain’ny trondro. Mila fehezina

anefa ny fandrotsahina azy mba tsy ho mora maintso loatra ny rano, ka voatery ampidi-drano be loatra.

Ny fanampi-tsakafo

Mba ampitombo aingana ny vokatra dia mila omena fanampin-tsakafo ny trondro sy ny zana-trondro :

- Atao amin’ny fotoana tsy miovaova ary zaraina amin’ny fotoana maromaro ampihena ny sakafo

very ;

- Ny ambi-tsakafo tsy lanin’ny trondro dia mandany ny oxigène anaty rano, ka mahatonga ny

fanoloana rano matetika.

- Mila diovina matetika amin’ny passoire izay loto na ambon-tsakafo tsy lany.

Isan’andro Rano Sakafo isan’andro

0-2 Madio sy tantera-

kazavana

-

2-4

7-14 Vovo-katsaka ½ kopy isaky ny isan’nyreni-trondro niteraka

14-21 Vovo-tsakafo 1 kopy sy ½ isan’ny reni-trondro niteraka

21-27 Vovon-tsakafo 3 kopy sy ½ isan’ny reni-trondro niteraka ;

Poti-tsakafo, bibikely, kakana… + 28 Maintso mavana

Page 32: TOROLALANA NY AMIN’NY · Mamay be ny andro sady mandoro be ny masoandro. Lasa lava kokoa ny fotoanan ny haintany Lasa misy rivodoza mahery vaika izay tsy mahazatra ny faritra Tsy

JONO, VATO HARA ARY ALA HONKO

30