“Ary ny mpanjaka nandidy an'i Aspenaza, lehiben'ny tandapany, hitondra ny sasany amin'ny Zanak'Isiraely, dia amin'ny zanak'andriana na amin'ny ambony

Embed Size (px)

Citation preview

Presentacin de PowerPoint

VOABABO HO MISIONERALesona 5 ho an'ny 1 Aogositra, 2015DANIELA, MISIONERA SESI-TANYAry ny mpanjaka nandidy an'i Aspenaza, lehiben'ny tandapany, hitondra ny sasany amin'ny Zanak'Isiraely, dia amin'ny zanak'andriana na amin'ny ambony firazanana, dia zatovo izay tsy nisy kilema, fa tsara tarehy sady kanto amin'ny fahendrena rehetra sy manam-pahalalana ary mazava saina ka miendrika hitoetra ao an-dapan'ny mpanjaka sady nasainy nampianarina ny taratasy sy ny tenin'ny Kaldeana. (Daniela 1:3-4)Tsy maintsy niaina araka ny finoany i Daniela sy ny namany na dia tsy nisy ireo andry lehiben'ny Jodaisma aza tany Babylona: Ny tempoly, ny mpisorona ary ny fanatitra.Voarakitra ao anaty Baiboly ny fijoroana vavolombelon'i Daniela tany amin'io tany vahiny io:Daniela 1:8. Ary Daniela ninia tao am-pony tsy handoto ny tenany.Daniela 2:47. Marina tokoa fa Andriamanitrareo dia Andriamanitry ny andriamanitra.Daniela 5:12. fa fanahy hendry sy fahalalana sy saina ary fahaiza-milaza nofy no hita tao amin'izany Daniela izany.Daniela 6:5. nefa tsy nahita izay hiampangany azy na izay tsininy akory ireo, satria marina izy, ka tsy nisy kilema na tsiny hita taminy.

FIJOROANA VAVOLOMBELONA TANY BABYLONANampiasain'Andriamanitra ireo mpino natao sesi-tany ireo hijoro vavolombelona tamin'ny fotoana maro teo anatrehan'ireo mpanjaka Babyloniana ireo mba hiovan'izy ireo fo.

Nampahafantarina tany amin'ny mpanompo sampy Andriamanitra tamin'ny alalan'ireo babo ireo. Nomena fahalalana ny amin'ny fanjakana izay haorin'ny Tompo ity firenena mpanompo sampy ity, ary tamin'ny alalan'ny heriny no nihazonana ny hery sy ny tetik'i Satana rehetra. Daniela sy ireo namany mpiara-dia taminy, Ezra sy Nehemia, ary maro hafa dia vavolombelon'Andriamanitra tany amin'ny fahababoany. Naparitaky ny Tompo manerana ny fanjakana eto an-tany izy ireo mba hamiratan'ny fahazavany kokoa eo anivon'ny haizi-kitroky ny fanompoan-tsampy sy ny fivavahana amin'andriamanitra tsy izy.E.G.W. (SDA Bible Commentary, boky. 4, momban'ny Daniela 2:47)VAVOLOMBEOLA TANY PERSIAIzany Daniela izany dia nihoatra noho ny komandy lehibe sy ny solo-mpanjaka namany, fa nanam-panahy hendry izy; ary ny mpanjaka nikasa hanandratra azy ho lehibe amin'ny fanjakana rehetra. (Daniela 6:3)Ministra tao amin'ny governemanta teo aloha i Daniela. Ary mbola nohajaina ihany izy tamin'ity fitondrana vaovao ity noho ny fahitsiany sy ny fahatokiany.Nahatoky azy i Dariosy. Fantany fa manana fifandraisana mafy amin'Andriamanitra i Daniela: Andriamanitrao Izay tompoinao mandrakariva anie hamonjy anao. (Daniela 6:16).Ny fijoroana vavolombelon'i Daniela dia nifarana tamin'ny famoahana didim-panjakana toy izao: mba hangovitan'ny olona sy hatahorany eo anatrehan'Andriamanitr'i Daniela .(Daniela 6:26).Tsy maninona izay toerana misy anao na ny toe-javatra manodidina anao. Miantso anao Andriamanitra ho vavolombelona amin'ny fananana fiainana mahitsy mifandray Aminy.FIJOROANA VAVOLOMBELONA SY FAMINANIANAAry nomena fanapahana sy voninahitra ary fanjakana Izy, mba hanompoan'ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy; ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay ka tsy ho tapaka, ary ny fanjakany tsy ho rava. (Daniela 7:14)Nahazo fahitana maro momban'ny Andro Farany i Daniela (Daniela 8:17, 19; 12:4, 9, 13). Ireo fahitana ireo dia vavolombelona velona ho an'ny taranaka maro, koa dia afaka ny manamafy ny fahatokiantsika amin'ny Tenin'Andriamanitra isika.Ny lohahevitra lehibe amin'ireo faminaniana rehetra ireo dia ny fiorenan'ny fanjakan'Andriamanitra maharitra mandrakizay eto an-tany.

Nampiasain'i Jesosy ireo faminanian'i Daniela rehefa niresaka momban'ny famantarana ny amin'ny fiaviany sy ny fitoriana ny Filazantsara manerana an'izao tontolo izao Izy (Matio 24:14-16).

IREO VOABABO HAFA MISIONERAAry katsaho izay hiadanan'ny tanna izay nampandehanako anareo ho babo, ary mivavaha amin'i Jehovah ho azy; fa raha miadana izy, dia mba hiadana koa ianareo. (Jeremia 29:7)Navelan'Andriamanitra ho lasa babo ny lehilahy sy vehivavy maro mba hijoro vavolombelona any, na amin'ny fomba mivantana na ankolaka.Izy ireo dia fitahiana na ho an'ny olona na ho an'Andriamanitra na ny firenena izay nonenany.

Anjara manao ahoana re ny fiainan'ireto Hebreo mendrika ireto! Raha tsy maintsy nanao veloma ny fonenan'ny fahazazany izy ireo, manao ahaona ny hakelin'ny nanofisany anjara ambony ho azy! Nahatoky sady tapa-kevitra izy ireo, ka nanetry tena teo ambanin'ny fitantanana avy any ambony, tamin'izany dia afaka ny nanatanteraka ny fikasany Andriamanitra tamin'ny alalan'izy ireo.E.G.W. (Education, tk. 7, pj. 57)Aoka hatolontsika ho an'Andriamanitra ny fiainantsika mba ho azony ampiasaina hahatanteraka ny fikasany tsara.