53
FAMPIDIRANA Ireo ankizy no loharanon-kery lehibe indrindra eo amin'ny Fiangonana. Noho izany, amin'ny maha fiangonana, dia ilaina maika ny hanaovana fihaikana amin'ny fanomezana fandaharan'asa fampianarana ireo zanatsika dieny izao fahazazany izao. Irina ny hipetraka ao aminy ny fahazarana, ny fisainana, fahafahana sy ny toetra madio. Izao no nosoratan'ilay lehilahy hendry iray "Zaro amin'ny lalana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy dia tsy hiala amin'izany " (Ohabolana 22.6). Tsy fijery indray miserana fotsiny izany fa raikipohy voamarina. Ary amin'izany fomba fijery izany no tokony hampivelarana ny fikambanan'ny Mpisantatra. FILÔZÔFIAN'NY FIKAMBANAN'NY MPISANTATRA Ny fikambanan'ny Mpisantatra dia sampana tohanan' ny fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito. Misokatra ho an'ny ankizy 6- 9 taona izy. Ny fiangonana, ny tokantrano, ny sekoly, dia miara-mifarimbona amin'ny fikambanana mba hanampy ny ankizy hitombo amim-pifaliana ao anatin'ny fahendrena eo anatrehan'Andriamanitra sy ny olona. Ny fikambanan'ny Mpisantatra dia afaka manampy ny ray aman-dreny mba hahatonga ny fanandraman'ireo ankizy hanan-danja kokoa ary hampitombo kokoa sy hampivelatra azy ireo. TANJONA Ny fikambanan'ny Mpisantatra dia manome ny ankizy fialamboly sy fihetsehana mampivelatra ny fahaiza-mamorona... 1. Mba hampitombo ny toetrany araka ny endrik'i Kristy 2. Mba hanandrana ny fifaliana sy fahafaham-po azo avy amin'ny zavatra vita tsara 3. Mba hanehoany, amim-pahatsorana, ny fitiavan'i Jesosy 4. Mba hananany toe-tsain'ny mpanao fanatanjahantena, ary hanamafy ny fahaizany miara-miaina amin'ny hafa 5. Mba hahafantarany ny fanomezam-pahasoavana ananany ka hianarany hampiasa izany amim-pahamendrehana ary ho fanampiana ny hafa 6. Mba hahitany ny tontolon'Andriamanitra 7. Mba hampivelarany ny fifankazahoana izay hery mampijoro ny ankohonana 8. Mba hampitombo ny fanohanan'ny ray aman-dreny ho amin'ny fiofanan'ny ankizy PÔLITIKAN'NY TSI-FANAVAKAVAHANA Ny pôlitikan'ny fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito dia mifantoka amin'ny fanomezana tombotsoa ny ankizy ny zo, ny 1

FAMPIDIRANA - e-monsitezonemandrosoa.e-monsite.com/.../manuel-aventurier-1.docx · Web viewNy zava-kendrena amin'ny fisian'ny Fikambanan'ny Mpisantatra dia ny fanampiana ny ray aman-dreny

  • Upload
    others

  • View
    1

  • Download
    0

Embed Size (px)

Citation preview

Page 1: FAMPIDIRANA - e-monsitezonemandrosoa.e-monsite.com/.../manuel-aventurier-1.docx · Web viewNy zava-kendrena amin'ny fisian'ny Fikambanan'ny Mpisantatra dia ny fanampiana ny ray aman-dreny

FAMPIDIRANA

Ireo ankizy no loharanon-kery lehibe indrindra eo amin'ny Fiangonana. Noho izany, amin'ny maha fiangonana, dia ilaina maika ny hanaovana fihaikana amin'ny fanomezana fandaharan'asa fampianarana ireo zanatsika dieny izao fahazazany izao. Irina ny hipetraka ao aminy ny fahazarana, ny fisainana, fahafahana sy ny toetra madio. Izao no nosoratan'ilay lehilahy hendry iray "Zaro amin'ny lalana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy dia tsy hiala amin'izany " (Ohabolana 22.6).

Tsy fijery indray miserana fotsiny izany fa raikipohy voamarina. Ary amin'izany fomba fijery izany no tokony hampivelarana ny fikambanan'ny Mpisantatra.

FILÔZÔFIAN'NY FIKAMBANAN'NY MPISANTATRA

Ny fikambanan'ny Mpisantatra dia sampana tohanan' ny fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito. Misokatra ho an'ny ankizy 6- 9 taona izy.

Ny fiangonana, ny tokantrano, ny sekoly, dia miara-mifarimbona amin'ny fikambanana mba hanampy ny ankizy hitombo amim-pifaliana ao anatin'ny fahendrena eo anatrehan'Andriamanitra sy ny olona.

Ny fikambanan'ny Mpisantatra dia afaka manampy ny ray aman-dreny mba hahatonga ny fanandraman'ireo ankizy hanan-danja kokoa ary hampitombo kokoa sy hampivelatra azy ireo.

TANJONA

Ny fikambanan'ny Mpisantatra dia manome ny ankizy fialamboly sy fihetsehana mampivelatra ny fahaiza-mamorona...

1. Mba hampitombo ny toetrany araka ny endrik'i Kristy2. Mba hanandrana ny fifaliana sy fahafaham-po azo avy amin'ny zavatra vita tsara3. Mba hanehoany, amim-pahatsorana, ny fitiavan'i Jesosy4. Mba hananany toe-tsain'ny mpanao fanatanjahantena, ary hanamafy ny fahaizany miara-miaina amin'ny hafa5. Mba hahafantarany ny fanomezam-pahasoavana ananany ka hianarany hampiasa izany amim-pahamendrehana ary ho fanampiana ny hafa6. Mba hahitany ny tontolon'Andriamanitra7. Mba hampivelarany ny fifankazahoana izay hery mampijoro ny ankohonana8. Mba hampitombo ny fanohanan'ny ray aman-dreny ho amin'ny fiofanan'ny ankizy

PÔLITIKAN'NY TSI-FANAVAKAVAHANA

Ny pôlitikan'ny fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito dia mifantoka amin'ny fanomezana tombotsoa ny ankizy ny zo, ny tombotsoa, ny drafitr'asa, ny fandaharan'asan'ny fiagnonana rehetra ka izany dia tsy misy fanavahana amin'ny firazanana, ny maha-lahy na ny maha-vavy, na ny finoana.

NY FAHASAMIHAFAN'NY MPISAVALALANA SY NY MPISANTATRA

Naorina ny fikambanan'ny Mpisantatra mba hahatonga ireo ankizy madinika hanana ny fikambanany. Ny fandaharan'asa ny fandrindran'asan'ny fikambanan'ny Mpisantatra dia tokony ho tsotra sy voafetra saingy misy fahaiza-mamoron-javatra na fanitaran-tsaina kosa. Misy lafiny maromaro mampitovy ny fikambanan'ny Mpisavalalana sy ny fikambanan'ny Mpisantatra kanefa ny fandaharan'asan'ny fikambanan'ny Mpisantatra dia manana ny maha-izy azy manokana ka tokony hosarahina ny fandaharana.

Ny fanomezana fanandramana misy lanjany sy mahasintona mifanaraka amin'izay andrasan'ny ankizy no tanjona iray ao amin'ny fikambanan'ny Mpisantatra: mitsinjo ny ho avy izany fanandramana izany amin'ny fiainana sahady ny fanandraman'ny Mpisavalalana.

1

Page 2: FAMPIDIRANA - e-monsitezonemandrosoa.e-monsite.com/.../manuel-aventurier-1.docx · Web viewNy zava-kendrena amin'ny fisian'ny Fikambanan'ny Mpisantatra dia ny fanampiana ny ray aman-dreny

Tsy ny hamerina ny fanandraman'ny Mpisavalalana rehetra akory no heverinay hatao, fa ny hamaly ny hetahetan'ny ankizy 6 ka hatramin'ny 9 taona, misaraka tsara ireo. Amin'izay izy ireo ho vonona tsara hifaly amin'izany rehefa tonga ny fotoana.

Hita tamin'ny fanandramana lasa fa misy ray aman-dreny sasany manana zanaka amin'ireo sokajy roa ireo ka afaka manaraka azy roa tsara. Noho izany dia azo atao ny mampifanaraka ny ora hivorian'izy roa ireo, nefa tsy atambatra akory izany.

NY FIKAMBAN'NY MPISANTATRA SY NY TANORA ADVANTISTA

Manana lamin'asa telo miavaka tsara hampivelarana tsikelikely ny tanora ny fiangonana.

Dingana 1 - NY FIKAMBANAN'NY MPISANTATRA - fikambanana manokana natao ho an'ireo ankizy 6 ka hatramin'ny 9 taona (dingana 1-4). Manana ny fanamiany, ny mari-pandrosoana sy ny marika famantarana ary fampianarana mampiavaka azy manokana ny fikambanana.

Dingana 2 - NY FIKAMBANAN'NY MPISAVALALANA - fikambanana manokana koa ity, natao indrindra hahamora ny fandrosoana ara-panahy, ara-batana ary ara-piaraha-monina ho an'ny ankizy 10 ka hatramin'ny 15 taona. Manana ny mari-pandrosoana, fanamiana sy marika mampiavaka azy ary votoatim-pampianarana voatokana ho azy koa io fikambanana io. Hafa noho ny an'ny Mpisantatra izany.

Dingana 3 - Ny fikambanan'ny Tanora Advantista : ho an'ireo zokiny 16 ka hatramin'ny 30 taona, na mihoatra.

Manana tanjona iraisana izy telo ireo dia ny hamonjena ny tanorantsika. Ny fivelarany sy ny fiasany dia miainga amin'ny teolojian'ny sampan'asa rehetra izay mifototra amin'ny Soratra Masina sy tarihin'ny Fanahy Masina.

FANDAMINANA

Ao anatin'ny fikambanana tsirairay dia nalamina ho sokajy misy Mpisantatra miisa efatra ka hatramin'ny valo. Mpanolo-tsaina iray no mitarika azy.

Ny fihetsehana atao rehetra dia manodidina ny sokajy.Misy fotoana natokana ho an'ny fifankatiavana voalamina mialoha ho an'ny sokajy tsirairay

ka ny sokajy ihany no mandrafitra azy, ny kapitenin'ilay sokajy no mitarika izany, fa ny mpanolo-tsaina kosa no mitari-dalana.

VOADY SY LALÀN'NY MPISANTATRA

VOADYSatria tia ahy Jesosy dia sitrako ny hanao ny tsara indrindra mandrakariva

LALÀNA- Mankatò- Madio am-po- Marina- Maha-te ho tia- Mahalala fomba- Malina- Tia manampy- Faly mandrakariva- Miahy- Mahay manaja

2

Page 3: FAMPIDIRANA - e-monsitezonemandrosoa.e-monsite.com/.../manuel-aventurier-1.docx · Web viewNy zava-kendrena amin'ny fisian'ny Fikambanan'ny Mpisantatra dia ny fanampiana ny ray aman-dreny

TANJON'NY FIKAMBANANA MPISANTATRA

Nahoana no fikambanana Mpisantatra ?

Novolavolain'ny fiangonana mba hanohanana ny ray aman-dreny hahita fahombiazana amin'ny fiaikana lehibe, hanampy ny zanany hitombo tsara amin'ny maha-mpianatr'i Kristy azy. Izany no kendren'ny lamin'asan'ny Mpisantatra.

Inona no tokony hotanterahin'ny Mpisantatra?

1. Hanolotra ny tenany, ny fony ary ny fiainany amin'izao fenitra misy azy izao ho an'i Jesosy Kristy.2. Hankafizan'ny ankizy ny tombotsoa sy fifaliana ary ny andraikitra avy amin'ny fiainana kristiana.3. Hananan'ny ankizy fahazarana, fahaizana amam-pahalalana ilaina amin'ny fivelomana ho an'i Jesosy amin'izao vanin'andro izao.4. Hananan'ny ray aman-dreny toky sy fahombiazana kokoa amin'ny anjar maha-mpiara-miasa azy ireo amin'i Kristy ho an'ny zanany.5. Handraisan'ny fiangonana andraikitra amin'ny fanampiana sy fikarakarana ny tanora ao anatin'io sokajy io, amin'ny fanomezana azy ireo fitaizana ara-panahy.

FANAMIANA

Hahitana tsara ny maha fandaminana azy ny fanamiana. Manjary sary velona sy filamatra ary fenitra izany. Ny fananana fanamiana no fitaovana iray hahatrarana ny fenitra iray sy hahazoana mitarika ny mambra hanatratra izany fenitra izany. Amin'ny fananganana fomba fitondran-tena madio sy fampiraisana ny mambra, dia izy no manosika ho hijoro mahatoky amin'ilay fenitra. Izy koa no miantso izay mbola tsy mambra hanatevin-daharana. Ny fanamiana izany no mandrafitra ny firaisan-tsaina ao amin'ny fikambanana.

Tsy maintsy atao madio sy mipetrapetraka tsara ny fanamiana. Tokony hanana izany ny tsirairay ka hitondra azy, satria natao ho an'ny mambra tsirairay ny lamin'asa.

Tsy maintsy hanaovana ny fanamiana

Antitranterina ny tokony hanaovan'ireo rehetra manana izany ny fanamiany amin'ireto fotoana manaraka ireto:

- Amin'ny lasy fihaonan'ny Mpisantatra- Amin'ny fotoana manokana (andron'ny Mpisantatra, fanokafana, sns)- Amin'ny fotoana manetriketriky ny fanokanana (fanaovana voady sy fanomezana kilasim-pandrosoana " investiture ")- Amin'ny fotoana rehetra hisehoana am-pahibemaso ka mandray anjara amin'izany ny iray na ny rehetra ao amin'ny fikambanana mba ho:* mpitondra hafatra* mpiandraikitra ny fandaminana* mpanampy amin'ny fanomezana marika manokana* mpanampy amin'ny fitsaboana* mpitana fanevasy rehefa manao asa fitoriana toy ny fizarana sakafo na fehezam-boninkazo na boky sy filazana, ary amin'ny asa iraisana toy ny tarika mihira.

3

Page 4: FAMPIDIRANA - e-monsitezonemandrosoa.e-monsite.com/.../manuel-aventurier-1.docx · Web viewNy zava-kendrena amin'ny fisian'ny Fikambanan'ny Mpisantatra dia ny fanampiana ny ray aman-dreny

KARAZANA FANAMIANA

Ny fanamiana kilasy "A" ho an'ny ankizilahy sy ankizivavy

Ankizivavy: Zipo manga antitra (bleue marine), somizo fotsy fohy tanana Ankizilahy: Pataloha manga antitra (bleu marine) sy akanjo ba fohy tanana sy vozona tsotra Lahy sy Vavy: kiraro, ba fotsy na manga antitra

Folara: anisan'ny fanamiana ny folara ka fatorana amin'ny fehy boribory manokan'ny Mpisantatra (anneau des aventuriers).Samboady ho an'ny famantarana: anisan'ny fanamiana koa io ka manga antitra no lokony.

FANAMIANA KILASY "A" HO AN'NY MPITARIKA NY MPISANTATRA

Vehivavy: zipo malalaka manga antitra, somizo fotsy (somizo mitovy zaitra amin'ny akanjo ba, fohy tanana)

Lehilahy: pataloha manga antitra (bleu marine), akanjo ba fotsy (fohy tanana ary tsotra ny vozony)Folara: anisan'ny fanamian'ny mpisantatra ny folara ka tazonina amin'ny fehy boribory

natokana ho an'ny mpisantatra. Ny mpitarika efa Filoha Mpitarika dia mahazo mitondra ny folara maha Filoha Mpitarika azy.

Samboady: miloko manga antitra ny samboady ary entina amin'ny fotoana ilana azy. TSY APETAKA AMIN'NY SAMBOADY NY MARI-PAHAIZANA T.A. (J.A.) fa ny marika manokana ihany (" insignes ").

Famantarana: Logo Mpisantatra, atao eo amin'ny sandry havanana.Ny boriborintany mpisantatra, eo amin'ny sandry havia

Tsinambolan'ny mpisantatra (bande vide, croissant) eo amin'ny sandry havanana, ambonin'ny logo mpisantatraMari-pahaizana manokana, eo ambonin'ny samboadyNy mari-pandrosoana "pins", mikasika ny fianarana kosa dia atao eo amin'ny akanjo ba na eo amin'ny paosin'ny zomizo

FANAMIANA FITONDRA MIVOAKA ANKALAMANJANA (TYPE B)

Manana fanamiana enti-mivoaka ankalamanjana ny mpisantatra ka tahaka izao ny endriny : T-shirt sy pataloha jeans manga (blue jeans). Ny T-shirt sy ny somizo fitondra mivoaka ankalamanjana dia samy mifidy ny modely tiany ny fikambanana. Indreto misy soso-kevitra vitsivitsy aroso mikasika ny T-shirt:- lôgô-n'ny mpisantatra- lôgô-n'ny fikambanana eo an-toerana- lôgô-n'ny fikambanana eo an-toerana sy ny an'ny mpisantatra

Fipetraky ny marika manokana "insigne" (jereo ny sary)

SANDRY TANANA HAVIA SANDRY TANANA HAVANANA

4

Page 5: FAMPIDIRANA - e-monsitezonemandrosoa.e-monsite.com/.../manuel-aventurier-1.docx · Web viewNy zava-kendrena amin'ny fisian'ny Fikambanan'ny Mpisantatra dia ny fanampiana ny ray aman-dreny

FITANTANANA NY FIKAMBANANA

FITANTANANA

Manome fotoana tsara ny ray aman-dreny na ny olon-dehibe ho afaka hiara-miasa amin'ny zanany ny fisian'ny fikambanana Mpisantatra. Ampidirin'ny mpitarika ao amin'ny lamin’asan’ny fikambanana ny ray aman-drenin'ny mpisantatra, mba hahazoan'izy ireo vokatra tsara.

Endriky ny fandaharana/lamin'asa

Ireo mpitarika ny fikambanan'ny Mpisantatra no mamolavola ny lamin'asan'ny fikambanana. Ny tale no filohany. Raisina avokoa ny soso-kevitra rehetra.

VINAVINAM-BOLA

Alohan'ny taona vaovaon'ny Mpisantatra no hanomanana sy handanian'ny mpitarika ny vinavinam-pandaniana mifandanja tsara, izay manoritsoritra ny vola miditra sy mivoaka ao amin'ny lamin'asan'ny Mpisantatra. Aroso hankatoavin'ny komitim-piangonana izany.

FANDAHARAM-POTOANA

Sivy volana fara-fahakeliny no faharetan'ny taona ho an'ny Mpisantatra ; mitovy amin'ny halavan'ny taom-pianarana iray izany. Mifanaraka amin'ny zava-misy ny fampifanarahana ny taonan'ny Mpisantatra amin'ny taom-pianarana. Nefa na izany aza dia tsara ny hanaovana lamin'asa mandritra ny 12 volana, mba hahazoana vokatra tsara.

FIVORIANAAdin'ny iray sy sasany ka hatramin'ny adin'ny roa no tokony haharetan'ny fivoriana. Isam-

bolana kosa no hivorian'ny mpitarika fara-faharatsiny.

TATITRA ISAM-BOLANAIsam-bolana no tokony hanaovan'ny talen'ny Mpisantatra ny tatitry ny antontan'isa sy ny vaovao mankany amin'ny talen'ny departemantan'ny tanora ao amin'ny federasiona.

KOMITIM-PIANGONANANy talen'ny Mpisantatra no misolo tena ny fikambanana ao amin'ny komitim-piangonana.

MPIANDRAIKITRA (PERSONNEL) NY FIKAMBANANATsy maintsy misy talen'ny Mpisantatra sy tale mpanampy iray na maromaro, mpanolo-tsaina

isan-tsokajy ary mpanofana (instructeur) amin'ny mpiandraikitra (personnel) ny Mpisantatra.

FANAMIANANy mpiandraikitra (personnel) ny fikambanan'ny Mpisantatra dia manao fanamiana ofisialin'ny

mpiandraikitra miaraka amin'ireo marika famantarana (insignes) rehetra natokana ho an'ny fikambanan'ny Mpisantatra.

FANENTANANA/SERASERA (PUBLICITÉ)Ny tatitry ny komity sy ny filazan-draharaha, ireo taratasy maro samihafa, ny fivorian'ny

komitin'ny fiangonana, ny dimy minitra manokana ho an'ny asa fitoriana, ny fivorian'ny tanora advantista ary ny fifandraisana manokana isan-tokantrano : ireo fomba rehetra ireo dia azo entina mampahafantatra ny fikambanan'ny Mpisantatra amin'ny mambran'ny fiangonana.

TATITRAAtao aloha ny famenoana ny tatitra raikitra izay vao soratana ao amin'ny kahie firaketana ny

asa vitan'ny isan-tsokajy.

5

Page 6: FAMPIDIRANA - e-monsitezonemandrosoa.e-monsite.com/.../manuel-aventurier-1.docx · Web viewNy zava-kendrena amin'ny fisian'ny Fikambanan'ny Mpisantatra dia ny fanampiana ny ray aman-dreny

FAHAIZA-MANAOAtao izay hahaliana ny Mpisantatra tsirairay amin'ny fandaminana ny asa hatao. Mahomby ny

fandaharan'asa raha voaaraka tsara ny fanatanterahana azy. Araho maso tsara ny fivoriana fanokafana sy famaranana ary ny fizotry ny hetsika atao.

FITSIDIHANA ISAN-TOKANTRANOTsidihin'ny mpanolotsaina isan-tokantrano izay rehetra ao anatin'ny sokajiny ; indray mandeha

isan-telovolana isaky ny Mpisantatra iray izany no atao fara-fahakeliny.

FAMATSIAM-BOLA

LATSAK'EMBOKY NY FIKAMBANANAIsan-telovolana na isan-taona no androtsahan'ny mambra ny fandraisan' anjara (vola kely).

Tsy atao hampihemotra ny fidiran'izay mety ho mpikambana anefa izany fa atao mba hahatsapany fa izay rehetra manan-danja dia misy vidiny.

FANDRAISANA ANJARAAzo atao koa indraindray ny mandresy lahatra ny namana sy ny mpampiasa handray

anjara hamatsy izay zavatra ilaina manokana ao amin'ny lamin'asan'ny Mpisantatra. Ny karatra filatsahana ho fampandrosoana dia tokony hatao vonona mandrakariva ho an'izay mandray anjara amin'ny fanohanana.

FANATITRA SY FITSINJARAM-BOLATokony hiara-miasa amin'ny Pasitora sy ny komitin'ny fiangonana ny talen'ny Mpisantatra

mba handrindra ny hisian'ny fanatitra avy amin'ny fiangonana na fitsinjaram-bola atokana ho an'ny fikambanana, natao ho lanian'ny komitin'ny fiangonana izany.

FIFANDRAISANA AMIN'NY RAY AMAN-DRENIN'NY MPISANTATRANy ray aman-dreny no tsiambaratelon'ny "Sampan'ny fifankahazoana/ fifandraisana". Izy

ireo no afaka hamporisika mihoatra lavitra noho ny hafa ny Mpisantatra ho amin'ny fahatokisana sy fitiavana ary fahalianana, izay tena fototra mihitsy eo amin'ny fanolokoloana ny "fisokafana/fivelarana" ho amin'ny finoana. Hevero ho toy ny "mpitory ny filazantsara" voalohany amin'ny zanany ny ray aman-dreny. Tsy misy zavatra hafa manana fiantraikany betsaka toy ny filamatra entin'ny ray aman-dreny eo amin'ny fanolokoloana ny finoan'ny ankizy. Tsy maintsy manampy ny ray aman-dreny hanatanteraka izany andraikitra izany izay voatendry hitarika ny Mpisantatra.

Mila mahafantatra ny tontolo iainana misy ray aman-dreny ny mpitarika ny Mpisantatra. Tsy maintsy ho afaka mizara amin'ny ray aman-dreny ny faniriana, ny hetaheta sy ny vesatra ao amin'ny ray aman-dreny izy, raha te-hiasa tsara ho amin'ny fitadiavana izay hahasoa kokoa ny Mpisantatra. Tsy maintsy fantariny fa misy karazana ray aman-dreny enina.

1. Ny ray aman-dreny hentitra2. Ny ray aman-dreny baranahiny3. Ny ray aman-dreny mihevitra fa ny ankizy dia ambony kokoa noho ny lehibe4. Ny ray aman-dreny te hanara-maso tsy tapaka izay ataon'ny Mpisantatra (tsy misy azo atao kisendrasendra)5. Ny ray aman-dreny nianatra ny fomba fitombo/fivelaran'ny olombelona na psikolojia momba ny ankizy, ka mahafantatra izay ilain'ny zaza ary vonona sy te hanombana ny lamin'asanao6. Ny ray aman-dreny mahatoky, mahitsy - "Tsy maninona, fa rehefa fandaharan'asan'ny fiangonana dia alefako ny zanako".

6

Page 7: FAMPIDIRANA - e-monsitezonemandrosoa.e-monsite.com/.../manuel-aventurier-1.docx · Web viewNy zava-kendrena amin'ny fisian'ny Fikambanan'ny Mpisantatra dia ny fanampiana ny ray aman-dreny

Rehefa mahalala ny ray aman-dreny ny mpitarika dia ho afaka hahatakatra ny antony mahatonga ny ray aman-dreny hampiditra ny zanany ho ao. Ireto no mety ho antony vitsivitsy :

1. Fantany ny halehan'ny zanany mandritra ireo adin'ny roa ho an'ny Tanora Advantista ireo2. Manomana azy amin'ny fanokanana (investiture)3. Nampiditra ny zanany ao ny ray aman-dreny hafa4. Mampianatra azy ireo ny fitsipiky ny fifehezan-tena sy ny fanajana ny mpitondra5. Manamora ny fahaizan'ny zaza miara-miaina aman'olona satria mila manitatra ny ambaidain'ny tontolon'ny fisakaizana izy ary mampihena ny fironany ho amin'ny fitiavan-tena6. Satria misy vidiny kokoa raha mba ao anatin'ny sokajin'olona na fikambanana7. Satria heveriny fa hahavita kokoa noho izy ireo teo amin'izay tsy nahombiazany taloha ny zanany8. Satria tiany ianao ary maniry mangina ao anatiny izy ireo ny mba hahatonga ny zanany ho tale na mpanolotsaina indray andro any. 9. Noho ny fahamasinana ara-panahy atolotry ny fikambanana ho an'ny zanany

Indreto ary misy fomba azonao hanomezana toky ny ray aman-dreny noho ny fitiavanao ny zanany:

1. Antso an-tariby2. Taratasy alefa isam-bolana3. Firesahana aminy manokana

Ny fiheverana manokana no misy lanjany indrindra eo imason'ny ray aman-dreny. Ankoatr'ireo voalaza etsy ambony ireo dia tokony hataon'ny mpitarika (tale, tale mpanampy na mpanolotsaina) koa ny:

1. Mampahafantatra ny ray aman-dreny ny fandaharan'asa isam-bolana na isan-taona izay hataon'ny Mpisantatraa. Hazavaina ny zava-kendrena sy ny tanjona ho tratrarin'ny Mpisantatra irayb. Manokana fotoana kely (isam-bolana na isan-telovolana na isan-taona) hankasitrahana ny ray aman-dreny.2. Manasa ny ray aman-dreny hitondra ny anjara birikiny amin'ireto sehatra ireto:a. Fitondrana fiarakodiab. Mitondra ny talentany hanasoa ny fikambananac. Fanatitrad. Fanomezana ara-bola hanohanana ny fandanian'ny Mpisantatra3. Maneho fankasitrahana sy manazava ny anjara entin'ny fanampian'ny ray aman-dreny ho an'ny zanany4. Mampiditra ny ray aman-dreny amin'ny fandaharan'asa mba hahazoana ny fanohanany

FANANGANANA NY MPITARIKA (PERSONNEL) NY FIKAMBANAN'NY MPISANTATRA

Misy toetra manokana izay tsy maintsy jerena rehefa hifidy mpitarika. Tsy ny olona rehetra no afaka hitarika ny tanora. Amin'izao fotoana izao, maro ny mpivady no samy miasa. Ny andraikitr'izy ireo dia manakana tanteraka ny fandraisany anjara amin'ny hetsikin'ny tanora na dia manana fahaizana sy fitiavana ho amin'izany aza izy.

TOETRA ILAIN'NY MPITARIKA

"Ireo izay mandray anjara amin'ny soritr'asan'Andriamanitra, amin'ny fampahalalana an'Andriamanitra amin'ny tanora, ary mamolavola ny toetrany hanahaka Azy, dia manao asa ambony sy mendrika. Rehefa mampiditra faniriana hanatratra tarigetra araka an'Andriamanitra izy dia manolotra fitaizana avo tahaka ny lanitra sady mivelatra tahaka izao tontolo izao." (Education p.21)

7

Page 8: FAMPIDIRANA - e-monsitezonemandrosoa.e-monsite.com/.../manuel-aventurier-1.docx · Web viewNy zava-kendrena amin'ny fisian'ny Fikambanan'ny Mpisantatra dia ny fanampiana ny ray aman-dreny

1. Tia an'Andriamanitra amin'ny fo rehetra. Ny fitiavana an'Andriamanitra no ahafahan'ny mpitarika kristiana mamolavola kristiana lahy sy vavy. Mifantoka amin'i Kristy ny fiainan'ny mpitarika Mpisantatra. Tsy maintsy manefy toetra izay tiany hananan'ny Mpisantatra izy aloha.

2. Tia ny ankizy tsy am-pihatsarambelatsihy. Ny fitiavana ny ankizy ihany no tosika avy ao anaty hahafahantsika manompo ny Mpisantatra ao anatin'ny fikambanana. Amin'ny fihetsika no tena hisehoan'izany fa tsy amin'ny fiteny loatra. Tsy maintsy ho tsikaritry ny Mpisantatra ny fotoana, ny hery sy ny fiarahana aminy atolotry ny mpitarika ny Mpisantatra. Io fitiavana io dia mitahiry ny ankizy eny fa na dia eo amin'ny fotoana tsy maha-te ho tia sy tsy mendrika aza izy ireo.

3. Manompo amin-kafanam-po. Tena ilaina ho an'ny mpitarika ny toetra mijoro, mafana fo. Ny hafanam-po dia mora mifindra. Ny mpitarika marisika dia malaky mahafinaritra ny Mpisantatra. Ny mpitarika tsara dia mijery maharitra ny lafintsaran-javatra ary manohana mafy dia mafy ny fandaharan'asa.

4. Mahay mandrindra ny fihetseham-po. Tsy maintsy mianatra mifehy ny fihetseham-po ny mpitarika. Tokony mahafehy ny tenany, mahaonontena, mino sy mahatoky an'Andriamanitra, ary mandray ny andraikiny izy. Ny fihetsehampo be loatra, ny fahatezerana misafoaka na ny fahatrotrahana be dia mamasoka ny sary filamatra hijerena ny mpitarika mino. Amin'ny maha olombelona dia tsy mahagaga raha ho entin-katezerana ny mpitarika iray. Nefa kosa amin'izany ny mpitarika mino dia tokony hiala tsiny sy hangataka famelana fa tsy mahay mitondra tena tahaka an'i Kristy. Ny mpitarika miaiky ny fahadisoany dia mahomby kokoa noho izay mihevitra fa mety tsara avokoa izay ataony rehetra.

5. Manome lanja ny asa an-kalamanjana. Any ivelany avokoa ny ankamaroan'ny asa na fihetsehan'ny Mpisantatra. Ny mpitarika Mpisantatra dia tokony hankamamy ny hetsika an-kalamanjana toy ny lasy sy ny fitsangatsanganana. Tokony ho fantany ihany koa ny fahaiza-manao ilaina amin'izany. Tokony hanana zava-mampandroso sy zava-baovao atolotra ny fikambanana na ny sokajy ny mpitarika.

6. Mahalala ny toetra fototra samihafa ananan'ny ankizy. Ny mpitarika tsara dia mahalala ny zavatra iombonana mampifandray ny ankizy toy ny hoe mamaky boky, mandinika zavatra ary miasa mirindra tsara araka ny firehana misongadina misy azy.

7. Mianatra fahaiza-manao amin'ny lafin-javatra maro samihafa. Hitondra zava-baovao mandrakariva ho an'ny fikambanana ny mpitarika manana talenta maro samihafa. Tahaka ny mpampianatra hafa rehetra dia tokony hanam-pahaizana sy voaomana ho amin'ny asa fitarihany ny Mpisantatra ny mpitarika azy. Tokony ho afaka hahita fifaliana sy hanana fahatsapana vaovao avy amin'ny fanarahany ny fiofanan'ny mpitarika ny Mpisantatra izy.

8. Manitatra ny fahaiza-mandamina. Tokony hahay mandamina ny mpitarika. Mamaritra ny zava-kendreny ary mitady ny fomba sy ny lalana hahatongavana amin'izany izy aloha. Avy eo dia manankina aman'olona ny andraikitra rehetra azony apetraka izy. Ary farany dia mandrindra ny asan'ireny olona nametrahany andraikitra ireny izy ka mamporisika sy manampy azy ireo mandra-pahatratra ny tanjona. Tahaka izany ny lamin'asa.

9. Mifandray tsara amin'ireo mpiara-miasa. Zava-dehibe ho an'ny mpitarika ny manana fifandraisana manokana tsara amin'ny hafa. Andraikiny ny manamarina raha faly ny mpitarika namany ary mahita fahombiazana eo amin'ny asany. Ny olana mitranga eo anivon'ny mpitarika dia manimba ny fandaharan'asa manontolo. Rehefa mamaha olana dia tokony hampiseho fahakingana sy faharimpo ombam-pahendrena ny mpitarika, ary dia hotahafin'ny hafa izy amin'izany. Amin'izay ataony rehetra dia tokony entanim-pitiavana ny mpitarika. Tsy tokony hialona mihitsy izy na hanao fitondrana mitongilana amin'ny mpiandraikitra (personnel) na amin'ny Mpisantatra. Ny asan'ny mpitarika dia ny manampy ny ankizy taritiny hahatontosa tsara kokoa ny anjarany. Andraikiny ny manomana mpitarika " Fikambanan'ny Mpisantatra " ho amin'ny ho avy.

8

Page 9: FAMPIDIRANA - e-monsitezonemandrosoa.e-monsite.com/.../manuel-aventurier-1.docx · Web viewNy zava-kendrena amin'ny fisian'ny Fikambanan'ny Mpisantatra dia ny fanampiana ny ray aman-dreny

10. Manana fahefana hitandro filaminana. Manana fahefana ny mpitarika. Midika izany fa manana toetra mahatonga fanajana azy avy hatrany izy na tsy mampiasa fomba hafa hanajana azy aza. Tokony mahay mandray tsara sy tia namana ihany koa ny mpitarika ka azo hatonina mora foana. Tokony ho afaka mampiseho fahefana hentitra miaraka amin'ny fahalemem-panahy tsotra izy.

11. Fahaiza-miresaka. Zava-dehibe ny mahay miresaka raha miaraka amin'ny ankizy. Ny fahaiza-miresaka no entina mampisinda ny tebiteby sy ahiahy avy amin'ny Mpisantatra na miatrika ny zava-misy mampivadi-po sy manorisory.

12. Manana saina mahiratra, tia karokaroka sy mamorona. Na dia eo aza ny fisakatsakanana na ny zava-tsarotra misy eny an-dalana, ny mpitarika dia tokony ho afaka mahatratra ny zava-kendrena voafaritra mialoha. Mampiasa ny sainy mahiratra sy tia karokaroka izy ka raha sendra fahamaikana na fahamaizana na latsaka an-katerana dia afaka mandray fepetra sy mahita vahaolana vonona hatrany. Mahay mamoron-javatra ny mpitarika ary tapa-kevitra hahatratra ny tanjona.

FANANGANANA MPIANDRAIKITRA (PERSONNEL)

TALE, TALE LEFITRA

Ny vaomiera mpanendry ao amin'ny fiangonana eo an-toerana no mifidy ny talen'ny " Fikambanan'ny Mpisantatra ". Jerena amin'izany ny zava-kendreny sy ny fahaiza-manao ananany mba hametrahana azy eo amin'io fanompoana io ny fanoloran-tenany ho an'i Kristy ary ny mari-pandrosoana (grady) misy azy. Tsaratsara kokoa raha Filoha Mpitarika (Chef Guide) izy. Rehefa voatendry izy dia miara-mifidy amin'ny komity mpanendry ny tale lefitra. Miankina amin'ny isan'ny Mpisantatra ao amin'ny fikambanana ny isan'ny tale lefitra.

MPITANTSORATRA ARY MPITAM-BOLA

Ny tale sy ny tale lefitra no niara-mifidy ny mpitantsoratra sy ny mpitam-bola. Rehefa vity ny isan'ny mpikambana dia azo omena olon-tokana ny fitanana an-tsoratra sy ny fitanam-bola. Ny tale lefitra na ny mpiandraikitra hafa (personnel) dia afaka manao ireo asa ireo.

FIANDRAIKETANA NY ARA-PANAHY

Ny mpiandraikitra (personnel) ny Fikambanan'ny Mpisantatra dia tokony hifidy mpiandraikitra ara-panahy iray (aumônier). Izy io dia hitarika ny fivoriam-bavaka sy ny fotoana manokana ho amin'ny fanompoam-pivavahana ary ny zava-kendreny dia ny fampandrosoana ny toe-panahin'ny mpikambana tsirairay avy (Mpitarika sy Mpisantatra). Azo fidiana ho amin'izany ny iray amin'ny tale lefitra, ny pasitoran'ny fiangonana, ny pasitora mpanampy, ny pasitora mikarakara ny tanora, ny loholona, sns...

RAY AMAN-DRENY

Ny tale sy ny tale lefitra no manendry ray iray sy reny iray ao amin'ny komity mpanatanteraka. Izy ireo no misolo ny ray aman-drenin'ny Mpisantatra rehetra.

PASITORA

Avy hatrany dia mpikambana ao amin'ny komity mpanatanteraka ny Fikambanan'ny Mpisantatra ny pasitora ary raha azo atao dia tokony handray anjara amin'ny fivoriana rehetra izy. Fa rehefa voatsangana ny mpiandraikitra (personnel) dia voalamina ny fandaharan'asa mandritra ny taona ary lany ny teti-bola, dia tsy maintsy manatrika ny fivorian-dehibe rehetra ny pasitora

9

Page 10: FAMPIDIRANA - e-monsitezonemandrosoa.e-monsite.com/.../manuel-aventurier-1.docx · Web viewNy zava-kendrena amin'ny fisian'ny Fikambanan'ny Mpisantatra dia ny fanampiana ny ray aman-dreny

KOMITIN'NY MPIANDRAIKITRA NY MPISANTATRA

Ny komitin'ny mpiandraikitra ny Mpisantatra no mifidy ny mpikambana ao amin'ny Komity mpanatanteraka ny Mpisantatra. Ireto avy izany :Mpanolotsaina : miandraikitra ireo sokajy ao amin'ny MpisantatraMpampianatra : olona voahofana manokana miandraikitra ny fampianaran'ny Mpisantatra. Afaka mampianatra ihany koa ny mpanolotsaina.Mpampiofana : manana fahaizana manokana mampianatra ny asa manavanana, ny fahakingana sy ny fianarana hafa rehetra koa.

MPIKAMBANA AO AMIN'NY KOMITY

KOMITY MPANATANTERAKIN'NY MPISANTATRA

Mivory ara-dalàna indray mandeha isam-bolana fara-fahakeliny ny komity mpanatanterakin'ny Mpisantatra mba hamolavola ny drafitra lavitr'ezaka sy ny hatao atsy ho atsy. Io komity io no mandahatra ny fotoana hanatanterahana ny zavatra atao mandritra ny taona, mandinika raharaha lehibe, manangana ny mpiandraikitra (personnel) sy manomana ny teti-bola isan-taona.

NY KOMITY MPANATANTERAKIN'NY MPISANTATRA DIA AHITANA IRETO:

Talen'ny fikambanana (filoha)Tale lefitra / mpanampyMpitantsoratraMpitam-bolaRay aman-dreny (ray/reny)Pasitora (mpikambana avy hatrany)

KOMITIN'NY MPIANDRAIKITRA (PERSONNEL) AO AMIN'NY FIKAMBANAN'NY MPISANTATRA

Manao fivoriana ara-potoana ny komitin'ny mpiandraikitra ao amin'ny Fikambanan'ny Mpisantatra mba handinika ny asa fanao andavanandro sy ny handamina ny hetsika manokana toy ny lasy any ivelany, sns. Tokony hivory isan-kerinandro ny komity ka mialoha kely na aoriana kely ny fivorian'ny Fikambanana, mba handinihana ny raharaha maika sy ny raharaha mila fiheverana manokana ary hihaino filazana samihafa.

Ireto avy no ao amin'ny komitin'ny mpiandraikitra ao amin'ny Fikambanan'ny Mpisantatra:Mpikambana ao amin'ny komity mpanatanteraky ny Fikambanana MpisantatraMpanolotsaina Mpanolotsaina eo am-piofananaMpampiofana (instructeur)Loholona (mambra avy hatrany) / Mpanohana ny fikambanan'ny tanora

ADIDIN'NY MPIANDRAIKITRA

FAMPIVELARANA NY MPIANDRAIKITRAMba ahafahana mahazo bebe kokoa ny fomba famolavola fandaharan'asa sy mifehy ny

ankizy dia tokony hanamafy amin'ny fampianarana voatokana ny mpiandraikitra.Ireto misy ohatra vitsivitsy amin'ireo asa tokony hataon'izy ireo : famakiana boky momba ny

ankizy sy ny fandaharan'asa mifanaraka amin'izany, fandraisana anjara amin'ny fampianaran'ny mpanolotsaina sy amin'ny fisintahana ara-panahy ataon'ny mpiandraikitra ny Mpisantatra, fandraisana anjara amin'ny fifampiofanana izay karakarain'ny Federasiona, fandraisana anjara amin'ny fivoriana tarihin'ny talen'ny Mpisantatra avy any amin'ny Misiona.

10

Page 11: FAMPIDIRANA - e-monsitezonemandrosoa.e-monsite.com/.../manuel-aventurier-1.docx · Web viewNy zava-kendrena amin'ny fisian'ny Fikambanan'ny Mpisantatra dia ny fanampiana ny ray aman-dreny

FIOFANANANy boky tari-dalan'ny Mpisantatra dia natao hanampiana ireo olon-dehibe miasa ao

amin'ny fikambanan'ny Mpisantatra. Ny mpitarika tsirairay ao amin'ny Mpisantatra dia tokony hanana ny mari-pahaizana fa nahavita io fiofanana io.

TALE

Ny talen'ny fikambanan'ny Mpisantatra dia tompon'andraikitra ny amin'ny famolavolana fandaharan'asa izay hanampy amin'ny fanatratrarana am-pahombiazana ny tanjona kendren'ny fikambanana. Mitarika ny fivorian'ny mpiandraikitra, manana fifandraisana amin'ny talen'ny Mpisantatra ao amin'ny Federasiona ary manao tatitra. Ny talen'ny Mpisantatra dia tsy maintsy olona mahalala tsara ny ankizy, mahay miara-miasa tsara amin'ny mpiandraikitra rehetra, afaka miantsoroka adidy. Tsy maintsy manam-paniriana handray hevi-baovao izy ary vonona hanatanteraka izany. Ambonin'izany rehtre izay dia tsy maintsy Kristiana Advantista mitandrina ny andro fahafito marina izy ary ny fiainany tsy maintsy ho vavolombelon'ny zavatra azon'Andriamanitra hatao.

Ny talen'ny Mpisantatra dia olona matotra ary tsara laza eo amin'ny fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito. Tokony hanana mari-pandrosoana Filoha Mpitarika (Chef Guide) izy, raha tsy izany dia tsy maintsy hatao izay hahazoany izany haingana. Tsy maintsy efa nanaraka ireo fampianarana fiofanana ho an'ny mpiandraikitra ny Mpisantatra izy.

Miankina be dia be amin'ny tale ny fahombiazana sy fahaiza-miainan'ny fikambanana rehetra, satria izy no manome ohatra amin'ny lafiny ara-panahy, filaminana, fahavitrihana, toe-tsaina mpanao fanatanjahan-tena eo amin'ny fifehezan-tena sy ny fitiavana. Manao fanamiana milamina sy ara-dalana mandrakariva izy.

Liana tanteraka amin'ny ankizy ny tale ary miara-mizaka aminy ny olana mahazo azy. Ny fiainany dia ho fanehoana izay azon'Andriamanitra atao amin'ny fiainan'ny ankizy.

Manam-pahaizana sy mafana fo ny tale ary mandray andraikitra. Tsy maintsy mahay miara-miasa amin'ny mpiandraikitra, afaka manampy ny mpanolotsaina sy ny mpampianatra ny tale eo amin'ny famahana ireo olana hatrehan'izy ireo ao amin'ny sokajy sy amin'ireo fampianarana.

IREO ANDRAIKITRY NY TALE:

1. Mpitantan'asa ao amin'ny Fiangonana2. Mifandray tsy tapaka amin'ny Mpitandrina ny fiangonana, ny pasitoran'ny tanora (raha misy) ary manentana ny loholona handray anjara amin'ny famolavolana fandaharan'asa sy amin'ny zavatra atao3. Manana fifandraisana amin'ny mpitarika ny Mpisantatra ary manao tatitra araka ny tokony ho izy4. Filohan'ny komity mpanatanteraky ny Mpisantatra5. Mitarika ny fivorian'ny mpiandraikitra ny fikambanana, raha tsy hoe angaha efa voatendry ho amin'izany ny tale mpiara-miasa6. Manara-maso ny fihetsiketsehan'ny fikambanana, miantso sy mandamina ny fivorian'ny fikambanana7. Manana fandaharan'asa mandritry ny taona ary manamboatra fandaharam-potoanaa izay ho zaraina amin'ny mpiandraikitra rehetra sy amin'ny Mpisantatra ary ny ray aman-dreny8. Mahay mampifanaraka ny fandaharan'asa rehetra amin'ireto lafin-javatra ireto :a. Ny ora sy ny toeram-pivorianab. Fitsangatsanganana in-droa isam-bolanac. Drafitr'asa fitoriana ny filazantsarad. Fanofakafana (investiture)e. Famatsiam-bola/ teti-bola/ sara-pilatsahana ho mpikambana/ ny trosaf. Ny fitsipi-pifehezana

11

Page 12: FAMPIDIRANA - e-monsitezonemandrosoa.e-monsite.com/.../manuel-aventurier-1.docx · Web viewNy zava-kendrena amin'ny fisian'ny Fikambanan'ny Mpisantatra dia ny fanampiana ny ray aman-dreny

g. Ireo gazety kely ifampizaràna (bulletins et brochures)9. Manara-maso ny fivoriana ara-potoan'ny fikambanana mandritra ny fivorian'ny mpiandraikitra. Ao anatin'izany no hampidirany ireto fihetsiketsehana ireto sy hanarahany maso ny fanatanterahan'ny komity sy ny mpikambana izany :a. Fihetsehana (exercices), fanokafana sy famaranana ny lanonanab. Lalao isan-karazanyc. Fanofanana / fampianarana hakinganad. Fananganana tarika / mpanolotsaina, mpampianatra ary ny andraikitr'izy ireo.

IREO TALE MPANAMPY

Manaiky ny andraikitra atolotry ny tale izy ireo ary mikarakara ny fikambanana. Manao ny tatitra izay voaangona ara-dalana ary mandefa izany any amin'ny federasiona/misiona. Izy ireo dia afaka mitantana ny vola, mitantsoratra, mikarakara ny ara-panahy. Raha lehibe ny fikambanana dia afaka mandray anjara momba ny drafitr'asa momba ny natiora sy manara-maso ny asam-pahakingana ary manao ny drafitr'asa amin'ny fotoana manokana ny tale mpanampy.

Mitantana ny fikambanana koa izy ireo. Arakaraka ny zava-misy takian'ny fikambanana dia tokony hanana mpiara-miasa hafa roa na mihoatra izy.

Ny tale mpanampy notendren'ny tale no mitarika ny fivorian'ny fikambanana raha tsy eo izy. Afaka manendry azy hitarika ny fivorian'ny mpiandraikitra koa ny tale.

Tsy maintsy manana ny toetra takiana amin'ny tale ihany koa izy ireo. Tokony ho feno fanajana sy fankatoavana ny tale izy ireo ary hiara-miasa ao anatin'ny filaminana.

MIANDRAIKITRA IRETO LAFIN-JAVATRA MANARAKA IRETO NY TALE MPANAMPY:

Fampianarana ny MpisantatraFitanana an-tsoratraFitantanam-bolaNy fakan-drivotra/ ala volyNy fihetsehana an-kalamanjanaIreo asa manavanana sy fahaizana manokana (habiletés)Ny mozikaNy natioraNy fikarakarana ny ara-panahy / ny fiankohofanaNy fitateranaIreo fotoana manokana / ny fandaharam-potoana isan-droa volana / ny fitsangatsanganana, sns...Ireo fihetsehana laikaNy fifandraisana amin'ny manodidina

NY MPITANTSORATRY NY FIKAMBANANA

Manao ny tatitry ny zavatra mitranga ao amin'ny fikambanana, ny fisoratan'anaran'ny mpikambana ary ny fianarana efa vita sy ireo antontan'isa izy.

Andraikitry ny mpitantsoratra ny mitahiry ny tatitra rehetra ary miampy izay voatahirin'ny mpitahiry vola. Raha kely ny fikambanana dia afaka ataon'ny olona iray ny fitanana an-tsoratra sy ny fitehirizam-bola. Ny mpitantsoratra mahay mandamina sy mahay miasa dia manampy be dia be amin'ny fandaharam-potoanan'ny fikambanana Mpisantatra.

12

Page 13: FAMPIDIRANA - e-monsitezonemandrosoa.e-monsite.com/.../manuel-aventurier-1.docx · Web viewNy zava-kendrena amin'ny fisian'ny Fikambanan'ny Mpisantatra dia ny fanampiana ny ray aman-dreny

IREO ANDRAIKITRY NY MPITANTSORATRA:

1. Mifehy ny tatitry ny sokajy ary mandika izany amin'ny taratasy fanaovana tatitry ny mpisantatra tsirairay avy2. Manao ny tatitry ny isa fankasitrahana azo sy ny fahadisoana amin'ny taratasy fanaovana tatitra farany3. Mametraka ny lisitry ny isa azon'ny isan-tsokajy eo amin'ny solaitrabe fanaovana filazana, indray mandeha isam-bolana fara-fahakeliny4. Mameno ny tatitra ho an'ny misiona/federasiona ary mandefa izany any amin'ny birao isaky ny faha-folon'ny volana5. Mampahafantatra ny tale amin'ny zavatra efa vitan'ny fikambanana mihoatra amin'ny tanjona voalamina6. Milaza amin'ny tale raha misy ankizy tsy tonga matetika (tsy amin'antony) na tsy miraharaha ny fanaovana fanamiana7. Manamboatra ny solaitrabe hametrahana ireo filazana samihafa izay mahasarika ny maso ary tokony hiova matetika8. Mamandrika ny fitaovana sy ny taratasy fanaovana tatitra any amin'ny misiona9. Mandray sy mandefa ny taratasy rehetra ary mandefa izany any amin'ny tale10. Mikarakara ny famakiam-boky sy mitahiry ny taratasy fitanana an-tsoratra (fiches) mikasika ireo boky na gazety hindramin'ireo mpiandraikitra na ireo Mpisantatra

NY MPITAHIRY VOLA

Ireo amin'ireo mpiandraikitra no fidiana ho mpitahiry vola. Mifandray sy miara-miasa akaiky amin'ny mpitahiry volan'ny fiangonana sy ny talen'ny fikambanana izy. Tsy maintsy mampahafantatra ny tale sy ny mpitahiry volan'ny fiangonana ny amin'ny fandaniana efa vita sy ny vola eo an-tanana izy. Afaka manao ny asan'ny mpitantsoratra sy ny mpitahiry vola ny olona iray raha kely ny fikambanana, na dia mety hahomby kokoa aza ny fanatanterahana ny fandaharan'asa raha misaraka ireo andraikitra ireo. Ny mpitahiry vola dia tokony hahay mitantana tsara ny volan'ny fikambanana. Tsara raha olona efa za-draharaha amin'ny kaonty no fidiana.

Ny mpitahiry vola matotra sy mahatoky dia hanampy ny fikambanan'ny Mpisantatra amin'ny fampiasam-bola voatsinjara. Milaza amin'ny mpitantan'asan'ny fiangonana ny amin'ny vola miditra sy mivoaka ary izay ilain'ny fikambanana. Izany no miantoka ny famalian'ny fiangonana amin'ny fotoana mety ny vola izay ilainy.

IREO ANDRAIKITRY NY MPITAHIRY VOLA:

1. Manangona sy manao tatitra ny vola niditra tamin'ny saram-pisoratana anarana, ny latsak'emboka, ny fanatitra, saram-piofanana, fanomezana, tsipaipaika,…2. Mandefa ny vola ho tehirizin'ny mpitahiry volan'ny fiangonana3. Manamboatra taratasy famoaham-bola sy ny fampidiram-bola, izay ahitana ny sandan'ny vola miditra sy mivoaka miaraka amin'ny daty sy ny antsipiriany4. Mitahiry an-tsoratra ny rosia sy ny faktioran'ny fandaniana ary mampirina ireny ao anaty valopy5. Manomana ny boky misy ny tatitra sy mandamina ny taratasim-bola ho amin'ny fanadihadihana ka haseho ny tale, ny mpitahiry volan'ny fiangonana, ny komity mpanatanteraky ny Mpisantatra ary ny komitin'ny fiangonana araka ny fangatahan'izy ireo.6. Mamoaka ny vola araka ny fanomezan-dalan'ny komity mpanatanteraka na izay olona voatendry hanara-maso ny vola7. Maka ny vola any amin'ny mpitahiry volan'ny fiangonana8. Mandray ny vola rehetra azo avy amin'ny fitadiavam-bola ary manao tatitra ara-dalana ny amin'izay vola azo9. Manao tatitra ny vola rehetra avoakan'ny Mpisantatra ary manao taratasy maneho ny vola miditra sy /na mivoaka

13

Page 14: FAMPIDIRANA - e-monsitezonemandrosoa.e-monsite.com/.../manuel-aventurier-1.docx · Web viewNy zava-kendrena amin'ny fisian'ny Fikambanan'ny Mpisantatra dia ny fanampiana ny ray aman-dreny

10. Manao fitadiavam-bola (collecter des fonds) ho an'ny fanamiana, ny fitaovana, ny taratasim-bola, na mangataka ny mpitahiry vola hanao izany.11. Mahazo antoka tsara fa ireo izay manao fitadiavam-bola dia manana taratasim-bola sy rosia izay tsy maintsy fenoina tsara ary ampirimina ao anaty antontan-taratasy hanaovana tatitra.

NY MPIANDRAIKITRA ARA-PANAHY (AUMÔNIER) HO AN'NY FIKAMBANANA

Mitana toerana lehibe ny mpiandraikitra ara-panahy satria izy no miandraikitra sy miantoka ny fivelaran'ny ara-panahin'ny Mpisantatra sy ny mpiandraikitra (personnel) ao amin'ny fikambanana. Mambra iray vita batisa ao amin'ny fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito ny mpiandraikitra ara-panahy ary tsara laza eo anatrehan'ny fiangonana izay isian'ny fikambanana. Azo fidiana ho mpiandraikitra ara-panahy ny:- filoha mpanampy- mambran'ny mpiandraikitra (personnel)- pasitoran'ny fiangonana- loholon'ny tanora na loholona tsotra.

Olona tokony manana fahaiza-manao ilaina amin'ny fandaminana sy fitarihana ny mpiandraikitra ara-panahy mba hampahomby ny hetsika ara-panahy atao.

Ireto avy ny andraikitry ny mpiandraikitra ara-panahy:1. Manao fanamiana2. Manolo-tsaina sy miara -miasa akaiky amin'ny filohan'ny fikambanana eo amin'ny fanomanana ny hetsika ara-panahy3. Manomana ny fotoana fandinihan-tena (vavaka), ny mpitondra ny hafatra ary ny vondrom-bavaka4. Mandamina sy mitarika ny asa fitoriana5. Mifidy ny olona hivavaka mandritra ny fivoriana sy ny fihetsehana rehetra ataon'ny fikambanana6. Manomana ny vondrom-bavaka, mandamina ny sekoly sabata sy ny fotoam-pivavahana ary ny fotoana folak'andro7. Miara-miasa akaiky amin'ny filoha sy ny pasitora amin'ny fanomanana sy fanatanterahana ny Andro natokana ho an'ny Mpisantatra, ny fotoana fametrahana mari-pandrosoana sy ny fisehoana ampahibemaso.8. Mpanolo-tsaina manokana eo amin'ny lafiny ara-panahy izay miara-miasa akaiky amin'ny mpanolotsain'ny sokajy.9. Mifankahalala tsara amin'ny Mpisantatra tsirairay sy ny mpiandraikitra ary mamporisika azy ireo amin'ny fifandraisana amin'Andriamanitra10. Mampiseho fa manana fanandramana tsara eo amin'ny maha-kristiana azy rehefa miara-milalao amin'ny ankizy ao amin'ny fikambanana

MPANOLOTSAIN'NY SOKAJY

Ny mpanolotsaina no mitarika ny sokajy iray ao amin'ny Mpisantatra. Mitana andraikitra lehibe eo amin'ny sehatry ny fikambanana ny mpanolotsaina satria izy no mifampikasoka akaiky indrindra amin'ny Mpisantatra sy ny fianakaviany ary ny tokantranony.

Ny mpanolotsaina no andrin'ny mpiandraikitra. Sokajy misy ankizy efatra ka hatramin'ny valo no eo ambany fiahiany. Ny mpanolotsaina lehilahy no miandraikitra ny Mpisantatra lahy ary ny mpanolotsaina vehivavy no miandraikitra ny ankizivavy. Manao izay hifankazarana tsara amin'ny ankizy tsirairay ao amin'ny sokajy izy ary mandray anjara amin'ny hetsika rehetra atao ao. Mahafantatra ny ray aman-drenin'ny ankizy sy ny toe-javatra misy manodidina ny tokantrano misy ny mpikambana tsirairay ny mpanolotsaina. Mifampiresaka / mifanakalo hevitra amin'ny ray aman-dreny eo amin'ny olana ara-piaraha-monina, ara-pihetseham-po sy ara-panahy ihany koa izy. Ny fitiavana asehon'ny mpanolotsaina dia mety hisy fiantraikany lehibe eo amin'ireo Mpisantatra mandritra ny fiainany manontolo.

14

Page 15: FAMPIDIRANA - e-monsitezonemandrosoa.e-monsite.com/.../manuel-aventurier-1.docx · Web viewNy zava-kendrena amin'ny fisian'ny Fikambanan'ny Mpisantatra dia ny fanampiana ny ray aman-dreny

Eo foana ny mpanolotsaina isaky ny mivory na manao fihetsehana ny fikambanana ary izy no manao ny fandaminana ny hetsika rehetra nahazoana alalana avy amin'ny fivorian'ny mpiandraikitra. Ny mpanolotsaina efa za-draharaha dia tsy hoe miandraikitra ny tarika fotsiny fa ny fivoaran'ny mpanolotsaina vao mianatra asa izay miaraka aminy koa.

Fidiana amin'ireo mambran'ny fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito ny mpanolotsaina. Tsy maintsy kristiana niova fo sy manolo-tena. Olona izay vonona ny hianatra sy hitombo ary haneho ny fahaizany eo amin'ny lafiny ara-java-kanto sy asa tanana ary ny momba ny natiora ka amin'izay dia ho afaka ny hampitombo ny fahalalan'ny ankizy tarihiny izy. Manome ohatra tsara eo amin'ny fomba fihetsiny sy fitondrantenany.

Miaraka amin'ny Mpisantatra foana ny mpanolotsaina rehefa manao asa izy. Mandritra ny fihetsehana na asa tanana dia zarazaraina ho kilasy maro ny sokajy rehetra ka ny mpampianatra na mpanofana no mikarakara azy.

Tokony hahalala tsara ny ankizy tsirairay ao amin'ny sokajiny ny mpanolotsaina. Mitarika ny ankizy handray anjara amin'ny hetsika rehetra atao izy ary ataony izay hitokisan'ny ankizy azy. Tokony hahafantatra ny ray aman-dreny sy ny fiainan'ny fianakavian'ny ankizy izy. Rehefa eken'ny tale dia azon'ny mpanolotsaina atao ny mikarakara hetsika manokana hiarahana amin'ny sokajiny, na dia tsy ao anatin'ny fotoana hiarahan'ny fikambanana aza.

Ny fomba fanao izay efa hiarahan'ny rehetra manaiky (standard) sy ny foto-kevitra ijoroan'ny fikambanana dia ny mpanolotsaina no miaro azy. Tokony hahay hiara-miasa amin'ny mpitantan'asan'ny fikambanana izy ary ireo kosa dia tokony ho eo foana amin'ny fotoana hiantsoana azy.

IRETO AVY NY ANJARA ASAN'NY MPANOLOTSAINA:

1. Mikarakara sy mitarika sokajy iray na manome lesona ho azy ireo ary miara-miasa amin'ny Mpisantatra mandra-pahavitan'ny fianarana rehetra2. Mamporisika sy mampianatra azy ireo hanao fampiharana ny zavatra niainana mba hahazoan'ireo mpikambana mahomby mari-pandrosoana3. Manome ohatra ho an'ny ankizy eo amin'ny fahadiovana, eo amin'ny fandraisana anjara mavitrika, eo amin'ny fanajana fotoana sy fanaovana fanamiana. Tokony ho ohatra alain'ny ankizy tahaka izy eo amin'ny fitondrantena4. Manao dia an-tongotra fanazarana miaraka amin'ny sokajiny5. Manao izay hisian'ny fifankahazahoana am-po sy fifankatiavana eo amin'ny sokajy tarihiny6. Manampy ny ankiziny hamaha ny olana mety hisy ary mampilaza izany amin'ireo mpitarika (tsy atao ampahibemaso, indrindra fa raha olana lehibe no misy)7. Mamporisika ny mpikambana handray anjara amin'ny hetsika rehetra8. Mandray anjara amin'ny lasy ary mikarakara ny andinindininy rehetra momba izany miaraka amin'ny tale sy ny mpikambana entiny.9. Mivory ao amin'ny komitin'ny mpiandraikitra (comité du personnel)10. Mampilaza ny tale mialoha raha sendra tsy afaka hamonjy fivoriana

MPANOFANA

Ny andraikitry ny mpanofana dia manome fanofanana manokana izay ahitana taratra ireo fotokevitry ny kristiana advantista mitandrina ny andro fahafito.

Manome lesona ara-baiboly, lesona momba ny fitomboan'ny tena ary fahaizana momba ny fiainana an-kalamanjana na ivelan'ny trano (à l'extérieur) na ny asa tanana. Azo atao ny maka mpanofana avy amin'ireo mpiandraikitra ny fikambanan'ny Mpisantatra na koa ireo olona manam-pahaizana manokana ao am-piangonana. Mety ho mambran'ny fiangonana na tsia ny mpanofana. Raisina ho mpiandraikitra mpanampy izy ka tsy voatery hanatrika ny fivorian'ny fikambanana.

15

Page 16: FAMPIDIRANA - e-monsitezonemandrosoa.e-monsite.com/.../manuel-aventurier-1.docx · Web viewNy zava-kendrena amin'ny fisian'ny Fikambanan'ny Mpisantatra dia ny fanampiana ny ray aman-dreny

Tokony handinika tsara ny momba ny fahaiza-manao kendrena sy ny lohahevitra ary ny mari-pahaizana ny mpanofana alohan'ny hampitany izany amin'ny Mpisantatra. Tokony hiara-hiasa akaiky amin'ny mpandrindra mikarakara ny lesona sahaza ny Mpisantatra na ny mpandrindra momba ny mari-pandrosoana izy mba hahitany na mety sy hifanaraka amin'ny zavatra takiana ny zavatra ataony.

MPANDRINDRA NY DISTRIKA

Mizarazara ho faritra na distrika voafaritra ara-jeografia ny federasiona na misiona. Manana mpandrindra ny distrika ho an'ny Mpisantatra ny faritra na ny distrika tsirairay avy. Ireto zavatra takiana manaraka ireto dia tokony ho hita ao amin'ny olona iray hofidiana ho mpandrindra ny distrika, izay heverina fa handray izany andraikitra izany. Ny komitin'ny federasiona no mandany ny fanendrena ny mpandrindra ny distrika.

FEPETRA TAKIANA

1. Manana mari-pahaizana Filoha Mpitarika (Chef Guide) na efa nanana ny fahaiza-mitarika ny Mpisavalalana (Titre de Dirigeant des Explorateurs)2. Mpitarika Mpisantatra ny Mpisavalalana tao anatin'ny 5 taona fara-fahakeliny ary tao anatin'izany dia nanana andraikitra tao amin'ny fitantanana nandritra ny telo taona3. Monina ao amin'ilay faritra iadidiany4. Tsara raha tsy mitazona andraikitra eo anivon'ny fikambanan'ny Mpisantatra sy/na Mpisavalalana5. Ireo fepetra rehetra takiana etsy ambony ireo dia eken'ireo talen'ny fikambanan'ny Mpisantatra ao amin'ilay faritra voatendry iadidiany, ary koa eken'ny filohan'ny departementan'ny tanora ao amin'ny federasiona.

FIFIDIANANA

1. Ny filohan'ny departemantan'ny tanora ao amin'ny federasiona, miaraka amin'ny komity mpanatanteraka ary ny mpitarika ny Mpisantatra ao amin'ilay faritra na distrika no manapaka ny fe-potoana (mandat) hitondran'ny mpandrindra ny distrika.2. Ny filohan'ny fikambanana no hanolotra izay hofidiana any amin'ny departemanta miadidy ny ankizy fara-fahakeliny 30 andro mialohan'ny fifidianana. Ireto avy ireo olona hita ao amin'ny komity mpanendry eo anivon'ny distrika : ireo mpiandraikitra ao amin'ny fikambanana, ny talen'ny fikambanana izay miandraikitra ny fitarihana ny komitin'ny fikambanana ary ny solontenany.3. Ireo komity voatendry hanao ny fifidianana, izay ahitana ny talen'ny fikambanana, ny mpitarika ny Mpisantatra eo anivon'ny federasiona ary ny mpiara-miasa aminy no hivory ka hifidy izay ho mpandrindra ny distrika.4. Ny komitin'ny federasiona no manao tsangan-tanana ny amin'izay hahalanian'ny anaran'izay voatendry ho mpandrindra ny distrika4. Mandray andraikitra avy hatrany ny mpandrindra ny distrika ho an'ny Mpisantatra vaovao raha vantany vao lany tao amin'ny komitin'ny federasiona ny anarany.

ANDRAIKITRY NY MPANDRINDRA NY DISTRIKA

Manome alalana feno ny mpandrindra ny distrika ny komitin'ny federasiona hanatanteraka ireto andraikitra manaraka ireto:

Miara-miasa amin'ny pasitora eo an-toerana sy ny talen'ny fikambanana eo amin'ny fanohanana ny drafitr'asa natao ho an'ny Mpisantatra eo an-toerana, ny fivondronambe ary ny diviziona.

Mamangy matetika ny fikambanana eo amin'ny distrika mba hahafantarany tsara ny drafitr'asan'izy ireo.

Mamonjy ny fivorian'ny mpandrindra ny distrika ho an'ny Mpisantatra: ny tanjona kendrena amin'izany dia ny mba hahazoana mandrindra ireo fihetsiketsehana hatao eo anivon'ny

16

Page 17: FAMPIDIRANA - e-monsitezonemandrosoa.e-monsite.com/.../manuel-aventurier-1.docx · Web viewNy zava-kendrena amin'ny fisian'ny Fikambanan'ny Mpisantatra dia ny fanampiana ny ray aman-dreny

federasiona, ary koa ny drafitr'asan'ny Mpisantatra amin'ny ankapobeny. Indray mandeha isan-telovolana fara-fahakeliny no hanaovana izany fivoriana izany.

Manampy ireo mpiandraikitra ao amin'ny fiangonana mba hampanao fanofanana, lanonam-panokafana sy fanomezana mari-pahaizana (investiture) ary manatontosa ireo andraikitra hafa tokony hatao.

IREO ANDRAIKITRA TAKIANA AMIN'NY MPANDRINDRA NY DISTRIKA HO AN'NY FIKAMBANANA SY/NA HO AN'NY PASITORA

Manampy ny fikambanana manatontosa ireo fihetsiketsehana samihafa toy ny andron'ny Mpisantatra, fanolorana mari-pahaizana sy mari-pandrosoana (investiture), fanaovana voady na fidirana ho mpikambana (incorporation), ary manara-maso ny fandrosoan'ny fikambanana.

Mamporisika ireo fiangonana tsy misy fikambanana tanora mijoro mba hanangana ny fikambanan'ny Mpisantatra

Mitarika ny fanatontosana ny fihetsiketsehana toy ny fitsangatsanganana, fanaovana hazakazaka (athlétisme), fanofanana sy famoriana mpitarika

ANDRAIKITRA HAFA METY HO TANAN'NY MPANDRINDRA NY DISTRIKA

Mamolavola hetsika ara-tsosialy: matso, foara Mitarika ny fanatanterahana ny tetik'asan'ny misiona Manao izay hanatontosana ireo fihetsiketsehana tian'ny talen'ny fikambanana eo an-toerana

hatao

MPANDRINDRA NY FARITRA / MPANDRINDRA NY DISTRIKA

Ny talen'ny Mpisantatra ao amin'ny federasiona na ny mpiara-miasa aminy no mandrindra ny fotoana hivorian'ny mpandrindra ny faritra ho an'ny Mpisantatra.

Azon'ny mpandrindra ny distrika atao ny mifidy filoha mpanampy azy ao amin'izy samy izy ao ihany.

ANDRAIKITRY NY FILOHA MPANAMPY

Amin'ny fotoana tsy maha-eo ny filoha voalohany dia ny mpanampy azy no mandray ny andraikitra, izy amin'izany no mandrindra ny fotoana amin'ny fivorian'ny mpandrindra ny distrika ary manao tatitra any amin'ny filoha voalohany ny amin'izay fanapahan-kevitra noraisina tao.

Raha misy zavatra maika tokony hotapahina ka tsy eo ny filoha voalohany dia ny filoha mpanampy no mandray ny andraikitra amin'ny fandaminana ny mpandrindra ny distrika mba hahazoana manohy hatrany ny fandaharan'asan'ny Mpisantatra.

FANOMBOHANA

1. Filan-kevitra irahana amin'ny Filohan'ny tanora eo anivon'ny Federasiona. Ny ray aman-drenin'ny Mpisantatra dia tokony handray anjara amin'ny drafim-pandaminan'ny fikambanan'ny Mpisantatra. Rehefa masaka ao am-pon'ireo ray aman-dreny sy ireo voakasika amin'izany ny faniriana hanohana fikambanana, dia tokony handray ny torohevitra avy amin'ny Filohan'ny Tanora ao amin'ny Federasiona, ary izy no hiandraikitra ny fitarihana ny fikambanana rehetra manerana ny Federasiona.

2. Maneho ny drafitra eo amin'ny Komitin'ny Fiangonana. Rehefa nahazo ny fankasitrahan'ny Filohan'ny Tanora ao amin'ny Federasiona, ireo drafitra dia entin'ny mambra iray avy ao amin'ny Fiangonana eo an-toerana eo anatrehan'ny komitin'ny fiangonana, hahafahana manangana fikambanan'ny Mpisantatra, ka asaina handray anjara amin'izany fivorian'ny komity

17

Page 18: FAMPIDIRANA - e-monsitezonemandrosoa.e-monsite.com/.../manuel-aventurier-1.docx · Web viewNy zava-kendrena amin'ny fisian'ny Fikambanan'ny Mpisantatra dia ny fanampiana ny ray aman-dreny

izany ny Filohan'ny Tanora ao amin'ny Federasiona, ka amin'izany no hanamafisan'ilay fangatahana sy hamaliany ireo fanontaniana mikasika ny fikambanana sy ny fananganana azy.

3. Ampitaina amin'ny fiangonana izay notinapaka eo amin'ny fotoanan'ny fanompoam-pivavahana. Zava-dehibe ny mampahafantatra ny mambran'ny fiangonana ireo zava-kendrena sy ny drafitr'asan'ny fikambanan'ny Mpisantatra. Manendry olona iray efa manana traikefa amin'izany, ka izy no hiteny amin'ny anaran'ny fikambanan'ny Mpisantatra, ary hanazava eo anatrehan'ny Fiangonana ireo zavatra ilain'ny ankizy, ary izany dia tsara raha atao mandritry ny fotoam-pivavahana amin'ny Sabata. Ilay mpitondra teny dia mety ho ny Filohan'ny Tanora eo amin'ny fivondronambe (Union) na ny Federasiona, ny pasitoran'ny fiangonana eo an-toerana, na ny mpandrindra ny Mpisantatra eo amin'ny distrika na olona hafa izay manana fahalalana ny amin'izany.

4. Miantso fivoriana manokana ho an'ny Fikambanana. Tokony handamina fivoriana manokana izay tsara raha atao ny Sabata folak'andro ka iantsoana ireo rehetra izay liana amin'ny fananganana ny fikambanan'ny Mpisantatra. Asaina avokoa ireo Filoha Mpitarika (Chef Guide) rehetra, ny ray aman-drenin'ireo afaka hampianatra lalao fialam-boly sy fahalalana isan-karazany antonona ny zazalahy sy zazavavy, sy ireo izay tia mikarakara ankizy. Mandritr'izany fivoriana izany dia idirana amin'ny antsipiriany ny zavatra rehetra mikasika ny fikambanan'ny Mpisantatra. Misy Mpisantatra mpamangy izay tonga eo, izy ireo dia hampahafantatra eo izay efa vitan'izy ireo sy ny fampirindràna izany. Ho antsoina avokoa ireo izay rehetra te-hirotsaka ao anatin'ny fikambanan'ny Mpisantatra, ary dia anaovana fanadihadiana.

5. Ampianarina ireo fitsipika fototra ho an'ny Mpisantatra. Ny mpiandraikitra ny fikambanana dia tokony hahazo fiofanana fototra ho an'ny mpiandraikitra ny Mpisantatra. Ny antoka lehibe indrindran'ny fahombiazan'ny fikambanan'ny Mpisantatra dia ny fanànany mpiandraikitra tsara hofana. Ny Filohan'ny Tanora ao amin'ny Federasiona no tokony hampanao ny fiofanana ary tsy maintsy fahalalana tena manana ny maha izy azy tokoa sy mafonja no homeny amin'izany.

6. Mifidy ny Filoha/Tale sy ireo Filoha lefitra. Rehefa mifarana ny fiofanana, ny komimtin'ny Fiangonana dia tokony hanendry ireo izay mendrika hitondra ny fikambanan'ny Mpisantatra ary hanalotra azy ireo amin'ny Fiangonana, dia ny Tale, ireo tale mpanampy ary ireo mpanolotsaina.

7. Manangana komity mpanatanteraky ny fikambanan'ny Mpisantatra. Ny komity mpanatanteraky ny fikambanan'ny Mpisantatra dia ahitana ny tale izay filohan'izany komity izany, ny tale lefitra, ny mpitantsoratra, ny mpitahiry vola, ny mpiandraikitra ara-panahy, ray aman-dreny (ray 1, reny 1) ary ny pasitora. Io vondron'olona io dia miandraikitra ny famolavolana ireo drafitr'asa sy tanjona ary ny zava-kendren'ny fikambanana. Io vondrona io ihany koa no manendry ireo mpanolotsaina sy ireo mpanofana.

8. Mamolavola drafitr'asa. Io no dingana lehibe indrindra ho an'ny Fikambanana. Ireo drafitr'asa dia tokony ho lavitr'ezaka. Tokony hasongadina ireo zava-kinendrin'ny fikambanana, ao anatin'ny volana sy taona maromaro. Izay hetsika rehetra ataon'ny Fikambanana dia tokony hifanaraka avokoa amin'ny zava-kendreny, amin'ny tanjony. Ny fivoriana rehetra dia tokony efa ho voarindra herinandro maromaro mialoha. Ireo mpiandraikitra dia tokony hitsinjara ho telo na efatra toko ny lamin'asa mandritra ny taona. Ny toko tsirairay dia hanana ny tanjony sy ny zara asany manokana. Kanefa azo ampidirana soso-kevitra hafa na vaovao mifandraika amin'ny lamin'asa mandritra ny taona.

9. Manokana alina iray ho an'ny mpamangy. Ny alina ho an'ny mpamangy dia atao roa na telo herinandro mialohan'ny alina handraisana ireo mpikambana. Ny Mpisantatra tsirairay dia afaka manasa namana iray ho amin'izany " alin'ny mpamangy " izany. Ny Tale sy ireo tompon'andraikitra samihafa dia hifandray akaiky amin'ireo ankizy ary hanontany an'izy ireo hoe " Tianao ve ny mba hiditra ho anisan'ny mpikambana ao amin'ny fikambanan'ny

18

Page 19: FAMPIDIRANA - e-monsitezonemandrosoa.e-monsite.com/.../manuel-aventurier-1.docx · Web viewNy zava-kendrena amin'ny fisian'ny Fikambanan'ny Mpisantatra dia ny fanampiana ny ray aman-dreny

Mpisantatra? " Raha manaiky izy dia alamina izay fomba hahazoana mamangy azy any an-tokantranony ka hanazavana aminy bebe kokoa ny fandaharan'asa. Aseho amin'izany ny faniriana hifandray sy hiara-miasa amin'ilay fianakaviana ary hanajana ny foto-kevitra ijoroany ny amin'ny alahady na ny Sabata.

10. Manokana alina iray fisoratana anarana ho an'ny hiditra mpikambana.a. Mandefa taratasy any amin'ny ankohonan'ny ankizy tsirairay iray volana mialohan'ny alina fisoratana anarana/ alina filatsahana ho mpikambana.b. Manao fampilazana goavana momba ilay drafitr'asa, alefa amin'ny filazan-draharahan'ny fiangonana, amin'ny sekolim-piangonana, amin'ny alalan'ny taratasy sy peta-drindrina, snsc. Manao fangatahana ny taratasy fisoratan'anarana sy tatitra ara-pahasalamana any amin'ny misiona ny mpitantsoratrad. Omena toromarika ny mpiandraikitra rehetra ary tokony hanao fanamiana mialoha io alina filatsahana ho mpikambana io. [Ny tale sy ny mpanampy azy, ary ny mpanolotsaina sy ny mpanofana no antsoina hoe mpiandraikitra. Tokony hanokana fotoana ampy hanofanana ny mpiandraikitra mba hahazoany tsara ny andraikiny sy ny hetsika hataon'ny fikambanana. Amin'izay dia efa tokony hanana ny fanamiany miaraka amin'ireo famantarana (insigne) miaraka aminy ara-dalana ireo mpiandraikitra rehetra.]

e. Ny fampilazana mandritra ny herinandro maro mialohan'ny alina fisoratana anaranaHerinandro 4 mialoha: filazan-draharahan'ny fiangonanaHerinandro 3 mialoha: peta-drindrina (tabeaux d'affichage)Herinandro 2 mialoha: alefa amin'ny kilasin'ny Sekoly Sabatan'ny ankizyHerinandro 2 mialoha: fivorian'ny mambra laikaHerinandro 2 mialoha: taratasy soniavin'ny tale ho an'ny ray aman-drenin'ny MpisantatraHerinandro 1 mialoha: taratasy soniavin'ny pasitora ho an'ny ray aman-drenin'ny MpisantatraHerinandro 1 mialoha: fotoana manokana ilazana ao am-piangonana ireo fandaharan'asan'ny sampanaHerinandro 0: alina fisoratana anarana

11. Manao fandaminana hisian'ny famangiana isan-tokantrano. Ny mpanolotsaina dia tokony hamangy ny ankizy tsirairay ao amin'ny sojakiny isan-tokantrano, ary mitonon-tena ho mpanolotsaina ilay zaza izy rehefa tonga ao an-tokantranoa. Raha toa ka mbola tsy feno ara-dalana ny taratasy fisoratan'anarana sy ny momba ny ara-pahasalaman'ilay zaza dia eo no hamenoana izay tokony ho fenoina.b. Ampahatsiahivo ny ankohonana ny ora hivorian'ny fikambananac. Valio eo ny fanontaniana rehetra mikasika ny fanamiana, ny lasy, ny fandaharan'asan'ny fikambanana sns... Alohan'ny handaozana ilay tokantrano dia sariho kely ny sain'ny ray aman-dreny fa amin'ny maha mpanolotsaina anao dia ny hanampy ny ray aman-dreny arak'izay tratra no tena fanirianao.

12. Manao lanonana fanaovana voady sy fidirana ho mpikambana telo herinandro aorian'ny alina fisoratana anarana. Manatona ny filohan'ny tanora eo amin'ny federasiona na ny mpitarika ny Mpisavalalana eo an-toerana.

13. Fohazy ny fahalianan'ny mpiara-monina sy ny an'ny fiangonana. Raha vao tafatsangana ny fikambanan'ny Mpisantatra dia manaova antso amin'ny fiangonana sy ireo fianakaviana izay tsy mbola tena liana. Tokony hinamana akaiky amin'ny fianakavian'ny Mpisantatra tsirairay ny tale. Ampio ny fianakaviana tsy advantista mitandrina ny andro fahafito mba hifankahalala amin'ny pasitora. Amin'izay dia azo atao ny hanasa ireny ankohonana ireny hihaino ny hafatra entin'ny fiangonana ho azy. Tokony hanana endrika fitoriana filazantsara ny fikambanan'ny Mpisantatra.

14. Avereno ny dingana 1 - 13 amin'ny fotoana hananganana fandaharan'asa mandritra ny taona.

15. Fivoriana voalohan'ny fikambanana. Zava-dehibe tokoa ny hanaovana izay hahatonga io fivoriana io ho mampientana sy mahafinaritra amin'ny alalan'ny fandraisan'ny mpikambana rehetra anjara.

19

Page 20: FAMPIDIRANA - e-monsitezonemandrosoa.e-monsite.com/.../manuel-aventurier-1.docx · Web viewNy zava-kendrena amin'ny fisian'ny Fikambanan'ny Mpisantatra dia ny fanampiana ny ray aman-dreny

FEPETRA HIDIRANA HO MAMBRA

1. Ny ankizy 6 - 9 taona dia azo ampidirina ho Mpisantatra

2. Ny fivoriana ara-dalana, ny fanaovana voady, ny fivoahana dia anisan'ny fandaharan'asa sy hetsikin'ny fikambanana. Alohan'ny hidirana ho mpikambana dia tokony hanaiky ny handray anjara amin'ireo hetsika rehetra ireo ny Mpisantatra ary hiara-miasa amin'ny mpitarika ny Mpisantatra.

3. Tokony handray anjara mavitrika ny mpikambana ao amin'ny fikambanana. Misy fikambanana izay manana ny lalàna mifehy azy ka raha toa ka tsy tonga ara-dalàna na tara lava na tsy manaraka ireny lalàna ireny ny mpikambana dia mety iharan'ny fandroahana.

4. Tsy maintsy manaiky ireny fitsipika ireny ny ray aman-dreny ary manara-maso ny fanatanterahana azy. Tokony handray anjara amin'ny fihetsehana ihany koa izy, arak'izay voasoritra ao amin'ny " taratasy fangatahan'ny Mpisantatra ". Misy fotoana izay mety hamporisihina sy hanasana ny ray aman-dreny mba hanokanany fotoana na vola hanohanany ny zanany.

5. Tokony hanana fanamiana ara-dalàna ny Mpisantatra ary hanaovana izany. Tokony hanao fanamiana ny ankizy amin'ny fivoriana sy ny fihetsehana ataon'ny fikambanana araka ny tapahan'ny filan-kevi-pitantanana.

6. Tsy maintsy mankatò ny fitsipika sy ny toro-marika omen'ny mpiandraikitra azy ny Mpisantatra

7. Tsy maintsy mandray anjara amin'ny volavolan'asa eo amin'ny fiaraha-monina sy ny fandaharana "Zarao ny Finoanao" ary amin'ny asa fitoriana ny Mpisantatra

8. Tsy maintsy mianatra sy mivelona mifanaraka amin'ny lalàna sy ny voadiny ny Mpisantatra.

TAKELAKA FISORATANA ANARANA HO AN'NY MPISANTATRA

20

Page 21: FAMPIDIRANA - e-monsitezonemandrosoa.e-monsite.com/.../manuel-aventurier-1.docx · Web viewNy zava-kendrena amin'ny fisian'ny Fikambanan'ny Mpisantatra dia ny fanampiana ny ray aman-dreny

Maniry aho ny ho isan'ny mambra ao amin'ny fikambanan'ny Mpisantatra ao amin'ny fiangonana .................................................. Handray anjara amin'ireo: fivoriana, fitsangatsanganana, fivoahana an-kalamanjana, fivoahana ho amin'ny asa fitoriana ary ireo fihetsehana rehetra ataon'ny fikambanana aho. Manaiky aho ny hankato ireo fitsipikin'ny fikambanana sy ny Lalàna ary ny Voadin'ny Mpisantatra.

ANARANA:.............................................................................................................................FANAMPIN'ANARANA:..........................................................................................................Daty nidirana:.........................................................................................................................Adiresy:..................................................................................................................................Mari-pandrosoana: ......................................Taona: .........................................................Telefaonina: ................................................. Ny telefaonina hantsoina amin'ny fahamaizana: ...................................................................Daty nahaterahana: .................................................Sekoly:...................................................................................................................................Fiangonana:...........................................................................................................................

Asio marika x izay kilasy misy anao

Tantely Mazoto Miasa Tanamasoandro

Mpanorina Tanana Mpanampy

Voady

Satria tia ahy Jesosy dia sitrako ny hanao ny tsara indrindra mandrakariva

Lalàna- Mankatò- Madio am-po- Marina- Maha-te ho tia- Mahalala fomba- Malina- Tia manampy- Faly mandrakariva- Miahy- Mahay manaja

Izaho, .................................................................., izay manao sonia eto ambany dia maniry ny ho ao amin'ny Fikambanan'ny Mpisantatra ao amin'ny fiangonan'i ......................

Handray anjara amin'ireo: fivoriana, fihetsehana, fitsangatsanganana ary ireo fihetsehana hafa rehetra izay ataon'ny fikambanana. Manao ny fanamian'ny Mpisantatra am-pifaliana aho ary hankatò ireo foto-kevitry ny fikambanana. Ho marina sy mahatoky, maha te-ho tia ary ho mahalala fomba aho.

(Sonian'ilay Mpisantatra)

FANEKEN'NY RAY AMAN-DRENY / NY MPIANTOKA

21

Page 22: FAMPIDIRANA - e-monsitezonemandrosoa.e-monsite.com/.../manuel-aventurier-1.docx · Web viewNy zava-kendrena amin'ny fisian'ny Fikambanan'ny Mpisantatra dia ny fanampiana ny ray aman-dreny

Amin'ny maha ray aman-dreny/mpiantoka ahy, dia resy lahatra aho fa drafitr'asa manolotra fahazoa-manao ho amin'ny fanompoana, ny zava-baovao sy ny fialam-boly ary ho amin'ny fianarana, ny drafitr'asan'ny Mpisantatra. Hanohana izany drafitr'asa izany aho amin'ny:

1. Famporisihina ny zanako Mpisantatra, handray anjara amin'ny fivoriana sy fihetsiketsehana rehetra ataon'ny fikambanana.

2. Fandraisana anjara amin'ireo toe-javatra hanasana ny ray aman-dreny, ho fanohanako ny zanako Mpisantatra

3. Fanampiana ireo mpitarika ny fikambanana, hiasa toy ny mpanampy raha ilaina izany4. Tsy fitanana na iza na iza amin'ireo mpiandraikitra ho tompon'andraikitr'ireo ratra ateraky ny loza5. Fanomezana alalana ny Mpisantatra voalaza anarana etsy ambony, handray anjara amin'ireo fihetsiketsehan'ny Mpisantatra

_____________________(Sonian'ny Ray aman-dreny / Mpiantoka)

_________________________ ____________________________(Adiresin'ny Ray aman-dreny/Mpiantoka) (Telefaonina)

FIVORIAM-PANDAMINAN'NY MPIANDRAIKITRA

22

Page 23: FAMPIDIRANA - e-monsitezonemandrosoa.e-monsite.com/.../manuel-aventurier-1.docx · Web viewNy zava-kendrena amin'ny fisian'ny Fikambanan'ny Mpisantatra dia ny fanampiana ny ray aman-dreny

Drafitra sy Fampivelarana ireo zava-kendrena

1. Fampifandraisana ny Fikambanan'ny Mpisantatra amin'ireo asa fanompoana fanabeazana sy fitoriana ny Filazantsara2. Fanaovana drafitra ny lanonana fanokanana "cérémonie d'investiture" ho an'ny Fikambanan'ny Mpisantatra3. Fandaharana fivoahana ho an'ny ray aman-dreny sy ny Fikambanan'ny Mpisantatra4. Fandaharana Fanofanana ireo ray aman-dreny (azo atao ny mangataka fiaraha-miasa amin'ny Talen'ny Sekoly na ny Tale miandraikitra ny famangiana any an-tokantrano)5. Fampianarana ireo lesona ho an'ny Mpisantatra

Jery tamberina ireo zava-kendren'ny Mpisantatra

Amin'ny fotoana hanaovany drafitra ireo fandaharan'asa izay hanampy azy hahita fahombiazana eo amin'ny asa ataony amin'ireo Mpisantatra, ny mpiandaikitra miasa dia tokony hamakafaka tsara ireo zava-kendrena nofaritany, tokony hanokana fotoana ampy izy hanaovana jery tamberina ireo zava-kendrena ireo, hifanakalo hevitra ny amin'ny tsirairay avy amin'ireo, ka amin'izany dia hijery manokana izay ilain'ny Fikambanana izy.

Drafitra sy jery tamberina ny Fandaharan'asa

1. Fandaharan'asa telovolana na mandritra ny taonaa. tsara raha misy fikambanana roa na efatra miara-mihodina isam-bolanab. tsara raha sivifolo minitra (1 h 30 mn) ihany no aharetan'ny fivorian'ny fikambanana isaka ny misy2. Fihetsiketsehana laika sy fanabeazana3. Fiarahan'ny Mpisantatra mitsangatsangana4. Lasy ho an'ny fianakaviana5. Fihetsiketsehana eo anivon'ny distrika / federasionaa. ny seminera fiofanana ho an'ny mpitarika ny Mpisantatra ary ny fihetsiketsehan'ny Fikambanan'ny Mpisantatra dia hofaritan'ny federasionab. andro " fialam-boly " ho an'ny Mpisantatra ao anatin'ny federasiona

FANAMIANA

Famerenana fandinihana ireo marika famantarana amin'ny fanamian'ny Mpisantatra fitondra mivoaka ao amin'ny sokajy "A" (Jereo ny momba ny " Fanamiana " amin'ity tari-dalana ity)

Fandaharam-pianaran'ny Mpisantatra

Ampidiro ao amin'ny fandaharam-potoana isam-bolana/isan-telovolana, ireo fampianarana ny mari-pandrosoan'ny Mpisantatra (Tantely, Tana-masoandro, Mpanorina, Tanana mpanampy)

Sori-dalana fototra manan-danja

1. Tsy tokony haneritery ny fianakaviana, na ny mpikambana na ny mpiandraikitra, ny fandaharan'asan'ny fikambanana2. Tokony hosorohana ireo toe-javatra mamizana (miteraka " stress ") ny ankizy3. Araka izay azo atao dia aoka haompana eo amin'ny fianakaviana ny fandaharan'asa4. Tokony ho zava-misy ny fampifanarahana ao anatin'ny sokajin-taona mba hisorohana ny " stress " mety hateraky ny diabe sy ireo fampiharana. Raha ta-hanao diabe ny fikambanana, aoka izany ho fanandramana mitovy amin'ilay lalao dia an-tongotra hoe " hoy i Simona ... "5. Ny fandaharan'asa dia tokony hifandraika amin'ny mari-pandrosoana sy ny toe-batan'ilay zaza

TARI-DALANA KAPOBENY SY FOMBA FIASAN'NY DRAFITR'ASA

23

Page 24: FAMPIDIRANA - e-monsitezonemandrosoa.e-monsite.com/.../manuel-aventurier-1.docx · Web viewNy zava-kendrena amin'ny fisian'ny Fikambanan'ny Mpisantatra dia ny fanampiana ny ray aman-dreny

FILÔZÔFIAN'NY DRAFITR'ASA

Ny drafitr'asa tsara indrindra (idealy) miainga any amin'ireo fahazoa-manao eo amin'ny ara-batana, ara-piaraha-monina, ara-tsaina ary ara-panahy vokatry ny traikefa sy ny fandaharam-pianaran'ny Mpisantatra, dia hampivelatra ny fankatoavana sy ny fandraisana andraikitra.

ARA-BATANA

1. Asa fanao andavanandro ao an-tokantrano: mampirina ny fandriany, manasa lovia, manadio fitaratra, manapaka bozaka na voatra voninkazo, manasa lamba , mipasoka, mandamina ny latabatra fisakafoana, sns...2. Fampianarana sy fampiharana ireo asa fanao andavanandro ao an-tokatrano, mandritra ny fivorian'ny fikambanana, mba hampivoarana ny hakingana.3. Fiaraha-miasa ifandimbiasana: hararaotina ho amin'izany ireo asa fanao andavanandro tanterahina ao anivon'ny fikambanana4. Lalao: manaova fanandramana ny amin'ny fifaliana ateraky ny asa5. Fitsidihana any amin'ny valan-javaboary, " zoo " na toeram-piompiana, toeram-piasan'ny mpitandro filaminana, etsetra ... Mampandraisa anjara fianakaviana betsaka araka izay azo atao6. Fitsangatsanganan'ny fianakaviana7. Asa madinika mifandraika amin'ny fahafaha-manaon'ny ankizy ka ny tanjona tratrarina dia ny fampanaovana azy asa madio tsy misy kalamina (ny hatsarany no kendrena kokoa noho ny hamaroany)

ARA-TSAINA

1. Zavatra tontosaina: ny fananana fahatsorana, tsy fifaninanana2. Toetra: tony, mandinika, mihaino ary mahita zava-baovao. Miasa fa tsy mianina fotsiny amin'ny hevi-tsaina

ARA-PIARAHA-MONINA

1. Fifampizaràna: fanampiana ny ankizy handray anjara amin'ireo fihetsiketsehana, hizara kilalao, hizara sakafo, etsetra...2. Lalao: fampianarana ny toe-tsaina "sportif" (mahay mandresy, na manaiky ny faharesena) sy fahaizana mifanerasera aman'olona3. Fahalalam-pomba: fampirisihana haneho fahalalam-pomba isan'andro eo amin'ny fihetsika (anaovana taratasy manokana isam-batan'olona momba izany)

ARA-PANAHY

1. Ankamantatra2. Tsianjery andinin-tSoratra Masina3. Tantara lalaovina na tantaraina4. Hira5. Ampandraisina anjara ny ankizy sy ny fianakaviana

FITORIANA FILAZANTSARA

1. Fitsidihana toerana fiterahana2. Fifidianana dadabe sy nenibe3. Fampianarana manoratra taratasy fisaorana sy maneho fitiavana ary karatra firarian-tsoa4. Vinavinan'asa fanasoavana ny fiaraha-monina

LASY

24

Page 25: FAMPIDIRANA - e-monsitezonemandrosoa.e-monsite.com/.../manuel-aventurier-1.docx · Web viewNy zava-kendrena amin'ny fisian'ny Fikambanan'ny Mpisantatra dia ny fanampiana ny ray aman-dreny

Amporisihina ny lasy ho an'ny fikambanana nefa tsaratsara kokoa ny hisian'ny lasy ho an'ny fianakaviana

FANDRAFETANA NY FANDAHARAN'ASA

Natao ho an'ny mpitondra ny Mpisantatra koa ny toro-hevita nomen'i Ellen White ireo mpitantana ny fiangonana : " tokony hanana fahatsapana andraikitra manokana bebe kokoa izy, jery kina sy drafitra bebe kokoa, herin-tsina bebe kokoa atao ao amin'ny asa ho an'nyTompo " (Témoignages pour l'Eglise, p.498)

"Tomombana/tanteraka amin'ny kapobeny ny asan'Andriamanitra satria tomombana (tanteraka) amin'ny tsipiriany. Tsy hety ho tanteraka toa ny Ray any an-danitra isika raha tsy maneho fahatokiana amin'ireo zava-madinika indrindra. Izay zavatra rehetra mendrika ny hatao dia mendrika ny hatao tsara".(Messages à la Jeunesse, p.142)

Ny andraikitra/asa mendrika indrindra nomena hataon'ny olombelona dia ny fitondrana ny tanora ho amin'ny fiainana mandrakizay. Aminao no nametrahana izany andraikitra izany, noho izany mandrafeta fandaharan'asa mifandraika amin'izany. Aoka izany mba ho voalanjalanja tsara sy hifantoka amin'ny ara- panahy, ara-batana, ara-tsaina ary ara-piaraha-monina.

Tokony hanao drafitra izay harahina an-tsakany sy an-davany. Ny fanaovana fandaharan'asa tsara no antoka voalohany ho amin'ny fahombiazana ho an'ny orinasa iray, ho an'ny fikambanan'ny Mpisantatra. Fandaharan'asa misy zava-kendrena lehibe mandritra ny taona no tokony hatao, avy eo ho an'ny telovolana iray ary farany ho an'ny herinandro iray na enimbolana.

Ny mpiandraikitra ao amin'ny Fikambanan'ny Mpisantatra no mamolavola ny fandaharan'asa. Ny tale no mitarika ny fivoriana. Tokony handinihana ireo soso-kevitra atolotra rehetra. Azo ampifanandrifiana amin'ny taom-pianarana, ny taona ho an'ny Mpisantatra.

Rehefa hamolavola ny fandaharan'asa ny mpiandraikitra dia tokony handinika ireo zavatra manaraka ireto:

1. Inona ireo tanjona tian'ireo mpitondra hotratrarina mandritra ity vanim-potoana ity ?2. Inona no tian'ireo Mpisantatra hatao?3. Ireo vanim-potoana toy ny Andro natokana ho an'ny Mpisantatra, ny fialan-tsasatra, " cérémonie d'investiture " iray, lanonana fanaovana voady iray, lasy madinika iray ary lasy lehibe iray.4. Ireo zava-tsy ampoizina (surprises), ny fiovaovana (variété), ny hetsika (action), ireo zava-bita (réalisations) ary ny fialam-boly5. Ny fandrosoana mirindra hatrany an'ireo Mpisantatra amin'ireo fampianarana6. Ny fandaharan'asa eo an-toerana ho an'ny Mpisantatra (mifandraisa tsy tapaka amin'ny Talen'ny Mpisantatra ao amin'ny Federasiona eo an-toerana)7. Foto-kevi-dehibe iray manokana fidiana ho an'ny fandaharan'asa mandritra ny taona na mandritra ny telovolana. Na inona na inona izany foto-kevi-dehibe izay dia kendreo mandrakariva ny hisian'ny rivo-piainana fifaliana sy ny hamolavolana Mpisantatra kristiana8. Fandaharan'asa mifandanja eo amin'ny fanabeazana sy ny fanompoana, izay mampivelatra ny hakingana eo amin'ny aro-loza, ny fahasalamana, ny asa tanana ary ny voaary.9. Fandaharan'asa voarafitra hanomezana fahafaham-po ireo filàn'ny Fikambanana manokana

MAHAFANTATRA IREO ANKIZY MPISANTATRA

25

Page 26: FAMPIDIRANA - e-monsitezonemandrosoa.e-monsite.com/.../manuel-aventurier-1.docx · Web viewNy zava-kendrena amin'ny fisian'ny Fikambanan'ny Mpisantatra dia ny fanampiana ny ray aman-dreny

AHOANA NY FITONDRANTENANY?Tia ny fihetsiketsehana mavitrika izyTia mamoron-javatra izyManana fahazoana sary an-tsaina sy fitadidiana be izyManana saina mahiratra izyTia tantara izyAzo beazina (toroana) mora foana izyManiry fanandramana azo anatsoahana fahafaham-po izy

NAHOANA IZY IREO NO MANAO TOY IZANY?Miadana ny fitombony amin'izao taonany izao. Manintona azy avokoa ny fihetsiketsehana

rehetra. Raha misy efitrano izay natao hihazakazahana dia hanao izany izy ireo. Miasa mafy izy ireo ary milalao betsaka satria manana hery betsaka. Tafahoatra loatra mazàna ny fanaovany ireo zavatra ireo ka lanaky ny harerahana izy ireo. Tiany ny asa izay azony ovaina ho kilalao.

Tia manangon-javatra izy ireo ary mamadika ireny ho zavatra ilaina. Mila manao fanazarana izy satria eo an-dalam-pivoarana ny hozatry ny tenany. Ny fomba tsara indrindra ho azy ireo hampitàna hafatra na hevitra dia ny manao sary na tantara. Tsy lefiny ny tsipirian-javatra.

Mivelatra tsara ireo retsi-pandreny. Ho azy ireo dia mora ny mibanjina tanjona iray izay tsy hitany sy mihevitra izay zavatra mety hitranga. Afaka mandray toeran'olon-kafa na mipetraka eo amin'ny toeran'olon-kafa iray izy. Mahatadidy mora foana izy ireo.

Ny salan'isan'ny fatram-piantohan'ny sainy dia eo amin'ny iray na roa minitra. Ny Mpisantatra tsirairay dia afaka manasa namana iray ho amin'izany "alin'ny mpamangy" izany. Ny Tale sy fa tsara ny fepetra - fotoana mety indrindra io hiarahany miasa amin'ny lehibe. Mila fahatsapana fahalalahana izy. Mikomy izy rehefa tsy tanteraka ny filàny fototra. Mahasaikatra azy ny tsy firindràna.

Mahatsapa fahabangana izy rehefa sakanana tsy haneho ny fironany voajanahary. Ohatra ny filàny hihetsika rehefa avy nipetraka ela loatra. Manorisory azy ny tsy fahombiazan'ny asa novinavinaina iray. Mikatsaka fatratra ny fankasitrahan'ny olon-dehibe izay ankatoaviny izy. Mitroatra izy rehefa itsabahana ny fihetsiketsehana ahitany fifaliana.

INONA NO HATAO?

Tokony homena fotoana ampy izy ireo hanaovany fihetsiketsehana ara-batana. Aoka ianareo hifehy tena raha toa ka mihazakazaka izy ireo rehefa tokony handeha tsotra. Aoka ho azonareo antoka fa ny fihetsiketsehana mialoha ny fivoriana dia misy zavatra maro toy ny latabatra misy fasika, na ny fotoana famakiana tantara ao amin'ny Baiboly. Ampandraiso anjara amin'ny fandaminana ny seza izy sy amin'ny fizarana fitaovana. Ampidiro ao anatin'ny fandaharan'asan'ny Mpisantatra izany.Mananosarotra ho an'ny Mpisantatra ny mampiasa ny hozatry ny tenany mandritra ny fotoana maharitra. Tokony hotadiavina ny drafitr'asa tsara indrindra azon'izy ireo handraisana anjara mora foana sy hamitàny izany haingana. Aoka tsy hotakiana aminy ny pitsopitsony. Tian'izy ireo ny zavatra atao amin'ny taratasy sy ny famolavolana tanimanga.

Asio aina ny tantara ataonao amin'ny fidirana amin'ny tsipiriany ; hamohafoha ny sainy izany ary hanampy azy hahatakatra sy hahafantatra bebe kokoa. Lazao ny fikaraoky ny harato tarihina, ny karazana antsamotady, ny lokon'ny fitafiana. Zava-dehibe tokoa ny andinin-tSoratra Masina atao tsianjery, noho izany, fotoana mety indrindra io hanaovana tsianjery ireo boky ao amin'ny Baiboly.

Tokony homena karazan-javatra hatao samihafa izy ireo mandritra io fotoam-pihetiketsehana io ; telo fara-fahakeliny : ireo tantara ao amin'ny Baiboly, ny fifanakalozan-kevitra, ny asa vatana, ny fampianarana. Tsy manana fifantohana maharitra izy amin'ny atrik'asa tsy misy fihetsehana.

26

Page 27: FAMPIDIRANA - e-monsitezonemandrosoa.e-monsite.com/.../manuel-aventurier-1.docx · Web viewNy zava-kendrena amin'ny fisian'ny Fikambanan'ny Mpisantatra dia ny fanampiana ny ray aman-dreny

Aza tapahina ny tantara. Aza vonoina an-karanany amin'ny pitsopitsony tsy ilaina ny foto-kevitry ny tantara. Ataovy izay hiainan'ny ankizy ilay tantara. Aoka ho azonao antoka ny fisian'ny fifanakalozan-dresaka (fifampiresahana).

Raha azo atao dia omeo alalana ny Mpisantatra hifidy asa atao iray ary ataovy tsapany fa tia azy ianao sady manaja ny heviny. Omeo fotoana izy hanaovany zavatra. Omeo " asa " manintona azy sy manome azy fahatsapana ho manan-danja izy. Omeo fankasitrahana izy amin'ireo fitondrantena mendrika nasehony, toy izany koa saziana noho ireo fahadisoana vitany.

Omeo fahafahana izy hamita ny asa efa natomboka tamin-kafanam-po. Fantaro mandrakariva izay zavatra ilainy. Ankasitraho ny ataony, ny asany ary omeo valiny mahafapo ny fanontaniany. Tsory araka izay azo atao ny fanazarana mba hahombiazan'ny tsirairay. Mifidiana andro hanolorana fankasitrahana ny ezaka ataony.

ATAO AHOANA NY FAMPIANATRA AZY IREO?

Ampianaro izy hampiasa ny heriny ho an'Andriamanitra sy hanampy ny hafa. Ampiandraiketo ny Mpisantatra ny raharaha madinika mety ho vitany: manasa namana ho ao amin'ny fikambanan'ny Mpisantatra sy ho any amin'ny Sekoly Sabata, na handefa karatra firariantsoa.

Tokony hitondra soa ho azy ireo ny fihetsiketsehana ataony ary misy zava-kendrena. Te hanamboatra zavatra ho azy izy na hatolony ho fanomezana. Tokony hampiarahina amin'ny asa atao ny zava-kendren'ny fandaharan'asa.

Tantarao amin'ny fomba ahazoan'ny ankizy mipetraka eo amin'ny toeran'ny olona ao anatiny ny tantara. Anontanio ny Mpisantatra izay hataony raha izy no sehatra toe-javatra toy izany. Ny fieritreretany dia hanampy azy hamaha olana tahaka izany. Aza atao ho zava-dehibe tahafoatra ny fitadidiana. Mora kokoa ho azy ireo ny mitadidy voambolana toy izay hihevitra zavatra iray amin'ny tsipiriany.

Ovaovay ny fandaharan'asanareo : mintatarà tantara, mampiasà fitaovana azo jerena, mametraha fanontaniana. Matoanteny milaza hetsika ampiasaina rehefa manao tantara. Aoka ho azonareo antoka fa misy lesona azo tsoahina avy amin'ny zavatra ataon'ny ankizy. Omeo fotoana kely izy hiomanany hamaliana ireo fanontaniana, etsetra...

Asehoy amin'ny alalan'ny tantara ny hevitra saro-takarina (sarotra visavisaina) mba hanamorana ny fahazoana azy. Asio aina ireo olona ao amin'ny tantara mba hitiavan'ny ankizy hanaraka ny ohatra omeny. Ampifandraiso amin'ny fiainany andavanandro ny fahamarinana. Efa mety hanaiky hevitra izy ireo saingy mila fanampiana eo amin'ny fampiharana azy eo amin'ny fiainana andavanandro.

Ampio ny Mpisantatra mba hanana fahatokiana ny fitiavan'Andriamanitra. Hazavao azy ny anton'ny fankatoavana ireo fitsipika sy ny fanorenan'ny lalàn'Andriamanitra ao amin'ny Baiboly. Ampianaro ny ankizy fa faly Andriamanitra rehefa mankatò izy ireo.

FIOFANANA

Lesona fanofanana ny Mpisantatra"Mila fanofanana misionera ny ankizy. Tokony hampiana izy hahafantatra mazava ny

tokony hataony mba hahatonga azy ho voavonjy" (Counsels to Parents, Teachers, and Students, p.168). Ary ny fomba tsara indrindra ho amin'ny fiomanana dia ny "fampivelarana mirindra ireo fahazoa-manao ara-batana, ara-tsaina ary ara-panahy. " Manomana ny mpianatra hahita fifaliana amin'ny fanompoana izay anjarany eto amin'ity izao tontolo izao ity izany, ary ho amin'ny fifaliana lehibe lavitra amin'ny fanompoana miandry azy ao amin'ny tontolo ho avy " (Education, p.15)

27

Page 28: FAMPIDIRANA - e-monsitezonemandrosoa.e-monsite.com/.../manuel-aventurier-1.docx · Web viewNy zava-kendrena amin'ny fisian'ny Fikambanan'ny Mpisantatra dia ny fanampiana ny ray aman-dreny

"Koa satria ny lehilahy sy ny vehivavy mifampizara ny raharaha ao an-tokantrano, ny ankizilahy sy ny ankizivavy koa dia tokony hahalala sy hitozo amin'izany. Mampirin-trano, mampirina fandriana, manasa lovia, mikarakara sakafo, manasa lamba sy manjaitra ny fitafiany rovitra, ireo dia asa tsy manaisotra ny tanjany amin'ny ankizilahy. Ireo asa ireo dia hanampy azy ho sambatra kokoa sy hilaina kokoa. Toraka izany koa ny zazavavy raha mianatra manisy lasely sy mitondra soavaly, mampiaa tsofa sy maritoa, " rateau " sy angady, dia ho voaomana kokoa amin'izay takian'ny fiainana ". (Education p.246)

Avy amin'ireo torohevitra ireo sy avy amin'ny andinin-teny toa azy no nandrafetana ny lesona ho an'ny Tantely, Tanamasoandro, Mpanorina, Tanana Manampy, ary avy amin'izany tari-dalana izany no nanatsoahana ireo zava-takian'ireo (lesona) fampianarana ireo. Fandinihana ny Baiboly sy ny voaary, fianarana zavatra ilaina sy mahavonjy ao an-tokatrano, asa atao any ivelany, vonjy taitra, fikojakojana ny tena sy ny fianakaviana, fahazoa-manao ara-batana sy fanompoana ny hafa, ireo no mandrafitra izany fampianarana izany.

Ny fikambanan'ny Mpisantatra, ny fiangonana, ny sekoly sy ny ray aman-dreny dia manampy ny Mpisantatra hahafeno ireo fepetra ireo. Ny andraikitry ny fikambanana dia ny manome ireo fampianarana fanofanana sy miara-miasa amin'ireo sokajy hafa manasoa koa io sokajin-taona io ary ampifandrindra ny ezaka ataony. Tokony hanpandraisina andraikitra mivantana ny ray aman-dreny mba hahazoana antoka fa tanteraka ireo fepetra any anivon'ny tokantrano.

NY FIANAKAVIANA SY NY FIKAMBANAN'NY MPISANTATRA

Ny zava-kendrena amin'ny fisian'ny Fikambanan'ny Mpisantatra dia ny fanampiana ny ray aman-dreny hitondra ny ankizy eo amin'i Jesosy Kristy. Tsy mitady ny hanao izany eo amin'ny toeran'ny ray aman-dreny izy na hiahy ny zon'ny ray aman-dreny hanara-maso ny zanany. Noho izany antony izany no ilazan'ilay boky kely " My Family " (Ny fiankaviako) izay natao manokana ho an'ny ray aan-dreny, fa izy ireo dia tafiditra mihitsy ao amin'ny drafitr'asan'ny Mpisantatra.

Tokony horaisina tsara ireo ray aman-dreny ary ampirisihina hiditra an-tsehatra amin'ny fiainan'ny Fikambanana. Ankoatr'ireo fivoriana mahazatra, dia tokony hasaina ny ray aman-dreny ary hanehoana fankasitrahana ny fitiavany, ny hery miasa mangina avy aminy ary ny fanampiany. Misy Fikambanana maro miangavy ny ray aman-dreny hirotsaka hanatrika sy handray anjara mihitsy fara-faha-ratsiny amin'ny fivoriana iray isan-telovolana ankoatr'ireo alina mahazatra ho an'ny ray aman-dreny.

NY FIANAKAVIANA SY NY LESONA FANOFANANA NY MPISANTATRA

Ny sokajin'ny ankizy amin'ny taonan'ny Mpisantatra dia mihodidina ny fianakaviana. Amin'ny toerana rehetra azo anaovana izany, dia tokony hasiana lisitry ny fiaraha-miasa eo amin'ny ray aman-dreny sy ny Fikambanana araka ny tanjona hitondrana ny ankizy eo amin'Andriamanitra.

Amin'ny toerana rehetra izay anatanterahana ny lesona fanofanana ny Mpisantatra ivelan'ny tokantrano, dieny eo am-piandohana ny ray aman-dreny dia tokony hahalala ny fandaharan'asa sy ny zava-kendreny.

Amin'ny fomba manokana, ilay boky kely " My Family " dia manome fahafahana ny ray aman-dreny handray anjara amin'ny ezaka fanampiana ny zanany hahatratra ireo zava-kendren'ny Mpisantatra. Misy taratasy maromaro ao amin'ny " Tari-dalana ho an'ny Mpanofana " izay maneho amin'ny ray aman-dreny ireo faritra manokan'ny fandaharam-pianaran'ny Mpisantatra.

ATAO AHOANA NY FITONDRANA LESONA IRAY AMIN'NY MPISANTATRA

1. Mamolavola drafitra kapobeny tsara. Manaova fandaharam-potoana ao anatin'ny taona. Tokony ho fantatra ny fotoana ananana hanatanterahana ny fepetra tsirairay avy takiana.

28

Page 29: FAMPIDIRANA - e-monsitezonemandrosoa.e-monsite.com/.../manuel-aventurier-1.docx · Web viewNy zava-kendrena amin'ny fisian'ny Fikambanan'ny Mpisantatra dia ny fanampiana ny ray aman-dreny

2. Mahafantatra ireo fepetra takiana. Manàna fahazoana tsara ireo fepetra takiana momba ny asa ataonao, ny fomba ifandraisany amin'ny zava-kendrena fototra ao amin'ny fandaharan'asan'ny Mpisantatra.

3. Mieritreritra ny amin'ireo ankizy. Angòny ny fahalalana sy ny traikefa izay hilain'ny ankizy hanatanterahany ireo fepetra takiana. Inona no mety hanintona azy ireo ?

4. Manasa ny ray aman-dreny. Ilazao ny ray aman-dreny ny amin'ny fomba azony hamonjena ; ampahafantaro azy ireo, ireo fepetra takiana mba ho zatra ireo izy.

5. Asio fandaharana ny lesona momba ny fanofanana. Hitondra soa ny famolavolana fandaharan'asa kapobeny rehefa mivonona ny hanampy ny ankizy hanatanteraka ireo fepetra takiana ianao. Hanampy anao handray fanapahan-kevitra ny amin'ny fotoana mety holanian'ny fepetra takiana tsirairay izany sy hahavita azy rehetra ao anatin'ny taona.

Ivereno jerena ny fotoana ananana hanatanterahana ireo fepetra ireo. Anaovy drafitra ny fahalalana sy ny lesona momba ny fahazoa-manao omena isaka ny fivoriana. Amin'ny kapobeny, ny faharetan'ny lesona ho an'ny Mpisantatra dia eo amin'ny 30 minitra, miampy minitra vitsivitsy atokana ho an'ny fampahalalam-baovao ; ny ambin'ny fotoana dia atokana ho an'ny lesona be.

6. Farito ny vanim-potoanan'ny lesona

a. Hetseho ny fahalianany. Mampiàsa zavatra mahasarika ny saina, fanaporofoana na olana natao hovahana iray mba hahaliana azy ireo amin'ny fampahalalam-baovao omena azy. Asehoy amin'ny ankizy ny antony ilàny izany sy ny dikan'izany eo amin'ny fiainany. (2 mn)b. Asehoy amin'ny fomba mahaliana ny fampahalalam-baovao. Mampiasà fomba samy hafa toy ny sary, horonan-tsarimihetsika, tantara, zavatra na mpamangy manokana, fifanakalozan-kevitra, fanaporofoana , etsetra ( 5 minitra)c. Fampiharana : ampiasao ireo fanandramana efa niainana mba hanamafisana ny fampianarana sy hampisy ventiny izany (20 minitra)d. Ampio ny ankizy hampihatra isan'andro izay zavatra nianarany (3 minitra)e. Fitsapana. Hamarino raha nahafeno ireo fepetra takiana sy nahatratra ireo zava-kendrena ny ankizy tsirairay ; ny fandraisana anjara feno sy ny fandrosoana toy izany no ilaina noho ny fahatanterahana.

7. Angony ny fomba enti-miasa. Angony ny vaovao, ny fitaovana, ny boky sy ny fitaovana momba ny haino aman-jery ilainao mba hahatonga ireo fihetsiketsehana ireo hampaharisika sy ho azo ampiharina. Ampiasao toy ny tranom-boky ho anao ireo fitaovana ireo.

8. Omeo ireo lesona. Izay hahasarika indrindra ny fiainan'ny ankizy dia ny risika anananao ho an'i Jesosy Kristy sy eo amin'ny fampitàna ireo lesona ireo. "Naneho ny fahamarinana Izy tamin'ny fomba nampifamatotra izany amin'ny fahatsiarovana sy ny fitiavan'ny mpihaino Azy. Nataony izay hahatsapan'ireo fa mihevitra tanteraka ny fahasambarany Izy. Tamin'ny alalan'ny fampianarany, ny mpihaino Azy dia voasarik'ireo lesona mivantana". (Ministère de la Guérison)

9. Fitsapana/fanombanana ireo lesona. Aorian'ny lesona dia mametraha fanontaniana amin'ny tenanao " moa ity lesona ity nanampy ny ankizy ho tia sy hivelona ho an'i Jesosy? Inona no tsara tao anatiny? Inona no mbola azo hatsaraina? Omeo fahafahana haneho ny fankasitrahany ny lesona ny ankizy.

FANDAHARAN'ASAM-PIANARANA SY NY FEPETRA HO AN'NY MPISANTATRAJERY TODIKA NY LESON'NY MPISANTATRA

29

Page 30: FAMPIDIRANA - e-monsitezonemandrosoa.e-monsite.com/.../manuel-aventurier-1.docx · Web viewNy zava-kendrena amin'ny fisian'ny Fikambanan'ny Mpisantatra dia ny fanampiana ny ray aman-dreny

Ny fandaharan'asam-pianaran'ny Mpisantatra dia mifantoka amin'ny lafin-javatra efatra manodidina ny tontolon'ny ankizy holazaina manaraka eto. Ny tsirairay amin'ireo dingana dimy dia misy votoatiny telo avy. Ho tanisaina ato koa ny tanjona sy ny foto-kevitra.

DINGANA TANJONA VOTOATINY FOTO-KEVITRA AO AMIN'NY VOTOATINY

ZAVATRA TAKIANA FOTOTRAManamboatra fototra tena ilaina mba hahazoana tombotsoa be indrindra amin'ny drafitr'asaI. AndraikitraII. Fanamafisana

I. Miditra ao amin'ny tanjona kendren'ny tarikaII. Fanehoana sy famerenana ny foto-kevitra ijoroan'ny Mpisantatra

NY ANDRIAMANITRO Manamora ny fampivelarana ny fifandraisana tsara eo amin'ny ankizy sy Jesosy I. Ny drafi-panavotana ho ahyII. Ny hafany ho ahyIII. Ny hery miasa mangina avy Aminy eo amin'ny fiainako

I. Ny fitiavan'Andriamanitra, ny ota sy ny famelan-keloka, ny fiovam-poII. Toko sy andininy atao tsianjery, ireo boky ao amin'ny Baiboly, mampiasa ny Baiboly ary mino azyIII. Vavaka, fijoroana ho vavelombelona, fianarana Baiboly, mivelona ho an'i Krity

NY TENAKOMampitombo ny fankasitrahana sy ny firehan'ny ankizy ny amin'izay tian'Andriamanitra atao ho azyI. Olona manokana ahoII. Afaka manao safidy tsara ahoIII. Afaka mikarakara tsara ny vatako aho

I. Ny toetra manokana sy tombambidin'ny tsirairay, ny andraikitra amin'ny fanompoana, talenta

II. Fihetseham-po, tombam-bidy, fandraisana fanapahan-kevitra, fitaovana fampitam-baovao

III. Fahasalamana, fahafaha-manao, ny taova ao anatin'ny tena, fahalalana onony, ny maha-lahy sy maha-vavy (sexualité)

NY FIANAKAVIAKOMitarika ny ankizy ho mpikambana sambatra sy mamokatra eo anivon'ny fianakaviana natolotr' Andriamanitra ho azy ireoI. Manana fianakaviana ahoII. Mifampikarakara ny mpianakavyIII. Manampy ahy amin'ny fikarakarana ny tenako ny fianakaviako

I. Toetra manokan'ny fianakaviana, fiovàna fianakaviana, asa sy andraikitraII. Fahefana sy fanajana, fankasitrahana, fihetsiketsehana eo anivon'ny fianakavianaIII. Fandriampahalemana, ny fitantanam-piainana, ny raharaha ao an-trano sy ny raharaha hafa.

NY TONTOLO IAINAKOAhafahan'ny ankizy miditra ao amin'ny tontolon'Andriamanitra amim-pahatokiana sy fahatsoram-po

I. Tontolon'ny namana

30

Page 31: FAMPIDIRANA - e-monsitezonemandrosoa.e-monsite.com/.../manuel-aventurier-1.docx · Web viewNy zava-kendrena amin'ny fisian'ny Fikambanan'ny Mpisantatra dia ny fanampiana ny ray aman-dreny

II. Tontolon'ny olona hafaIII. Tontolon'ny zavaboahary

I. Fahalalam-pomba sy maha olom-pirenena, fitsarana ivelany, hery miasa manginan'ny tarika

II.Manompo ny fiangonana, ny fiaraha-monina, ny firenena, izao tontolo izaoIII. Andriamanitra sy ny voaary, fianarana ny voaary, fakan-drivotra any

anivon'ny zavaboaary, ny firehana amin'ny tontolo iainana.

Zava-dehibe - Fepetra fototra takianaI. ANDRAIKITRA:

TANTELY MAZOTO MIASA: 6 TAONAManaiky sy mahay tsianjery ny voadin'ny Mpisantatra

TANAMASOANDRO: 7 TAONAManaiky sy manao tsianjery ny lalàn'ny Mpisantatra

MPANORINA: 8 TAONAA. Manao tsianjery ny lalàna sy ny voadin'ny Mpisantatra

B. Manazava ny voady

TANANA MPANAMPY: 9 TAONA A. Manao tsianjery ny lalàna sy ny voadin'ny MpisantatraB. Manazava ny lalàna

II. FANAMAFISANA

Mahazo ny taratasy fanamarinana fa nahavita ny famakiam-boky natokana ho an'ny Tantely Mazoto MiasaMahazo ny taratasy fanamarinana fa nahavita ny famakiam-boky natokana ho an'ny TanamasoandroMahazo ny taratasy fanamarinana fa nahavita ny famakiam-boky natokana ho an'ny MpanorinaMahazo ny taratasy fanamarinana fa nahavita ny famakiam-boky natokana ho an'ny Tanana Mpanampy

Fepetra fototra ilaina - Zava-kendrena

ANDRAIKITRA

Rehefa mahafeno ny fepetra fototra ny Mpisantatra ireo ankizy dia:Ho hain'izy ireo ny hevitra sy ny tanjon'ny lalàna sy ny voadyHo tapa-kevitra ny handray izany ho azy izy aryHiaina araka ireo foto-kevitra ireo

FANAMAFISANA

Rehefa mahafeno ny fepetra fototra takiana ho an'ny Mpisantatra ny ankizy dia:Hahay mahafantatra sy mahazo kokoa an'Andriamanitra, ny tenany, ny fianakaviany ary ny tontolo iainanyHahatsapa ny tombam-bidy sy ny fifaliana azo avy amin'ny famakian-teny izy aryHanohy hampiasa ny boky ho fahafinaretana sy hanitaram-pahalalana.

NY ANDRIAMANITRO - Fepetra takiana

31

Page 32: FAMPIDIRANA - e-monsitezonemandrosoa.e-monsite.com/.../manuel-aventurier-1.docx · Web viewNy zava-kendrena amin'ny fisian'ny Fikambanan'ny Mpisantatra dia ny fanampiana ny ray aman-dreny

I. NY DRAFI-PAMONJENA NATAONY HO AHY

TANTELY MAZOTO MIASA 6 TAONA:

A. Manao drafitra mampiseho ny filaharan'ireto tantara ireto araka izay nisehoany:- Ny famoronana- Ny nanombohan'ny ota sy ny alahelo- Mikarakara ahy Jesosy androany- Ho avy indray Jesosy- Ny paradisa

NA KOA:Manao drafitra ny tantara ao amin'ny Baiboly izay ianaranao any an-tsekoly na ao amin'ny

Sekoly Sabata

B. Maneho an-tsary na mitantara ny iray amin'ireo tantara voalaza etsy ambony hanehoana fa mikarakara anao Jesosy

TANAMASOANDRO 7 TAONA:

A. Manao drafitra tantara iray maneho:- Ny fahaterahana- Ny fiainana- Ny fahafatesana- Ny fitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty

NA KOA: Tantara ao amin'ny Baiboly izay ianarana ao amin'ny Sekoly Sabata.

B. Manao sary hosodoko amin'ny rindrina na mitantara ny iray amin'iretsy tantara voalaza etsy ambony hanehoana fifaliana fa voavotr'i Jesosy

MPANORINA

A. Manao drafitra maheno ny filaharan'ireto tantara ireto:- Paoly- Martin Luther- Ellen White- Ny tenanao

NA KOA: Tantara ao amin'ny Baiboly izay ianarana ao amin'ny Sekoly Sabata.

B. Manamboatra fitaovana na lahatsoratra an-gazety momba ny tantara iray voalaza etsy ambony hanehoana ny fomba hanolorana ny fiainana ho an'i Jesosy.

TANANA MPANAMPY

A. Mamorona tabilao mampiseho ny filaharan'ireto tantara ireto, araka izay nisehoany:- Noa- Abrahama- Mosesy- Davida- Daniela

NA KOA: Tantara ao amin'ny Baiboly izay ianarana ao amin'ny Sekoly Sabata.

B. Manao "diorama", tononkalo na hira iray momba ny iray amin'ireo tantara tetsy ambony ireo, mba hampisehoana amin'ny olona iray ny fomba fiainana ho an'Andriamanitra

32

Page 33: FAMPIDIRANA - e-monsitezonemandrosoa.e-monsite.com/.../manuel-aventurier-1.docx · Web viewNy zava-kendrena amin'ny fisian'ny Fikambanan'ny Mpisantatra dia ny fanampiana ny ray aman-dreny

II. NY HAFATRA AMPITAINY AMIKO

TANTELY MAZOTO MIASA

Manana ny mari-pahaizana ambaratonga I momba ny fahalalana ara-Baiboly voatokana ho an'ny Mpisantatra

TANAMASOANDRO

A. Manao tsianjery ary mahay manazava toko sy andininy roa amin’ireto manaraka ireto: Matio 22:37-39, 1Jaona 1:9, Isaia 1:18, Romana 6:23

B. Mahay ny fizarana roa ao amin’ny Baiboly ary ny Filazantsara efatra

C. Manana ny mari-pahaizana sakaizan’ i Jesosy voatokana ho an'ny Mpisantatra

MPANORINAManana ny mari-pahaizana ambaratonga II momba ny fahalalana ara-Baiboly voatokana ho an'ny Mpisantatra

TANANA MPANAMPYA. Manao tsianjery ary mahay manazava toko sy andininy telo amin’ireto manaraka ireto: Eksodosy 20:11-17, Filipiana 2:13, Filipiana 4:13, 1Jaona 2: 1,2 , Joda 24

B. Mitanisa ary mahay ny Boky ao amin’ny Testameta vaovao

III.- Ny fikambanan'ny Mpisantatra, ny fiangonana, ny sekoly sy ny ray aman-dreny dia manampy ny Mpisantatra haha ho:

TANTELY MAZOTO MIASAA. Manokana fotoana maty paika (tsy miova sy ara-potoana) ao amin'ny fahanginana mba hiresahana amin'i Jesosy sy hianarana ny momba AzyB. Manontany olona 3 ny amin'ny antony hivavahan'izy ireo

TANAMASOANDROA. Manokana fotoana maty paika (tsy miova sy ara-potoana) ao amin'ny fahanginana mba hiresahana amin'i Jesosy sy hianarana ny momba AzyB. Manontany olona 3 ny amin'ny antony hamakiany sy hianarany ny Baiboly

MPANORINAA. Manokana fotoana maty paika (tsy miova sy ara-potoana) ao amin'ny fahanginana mba hiresahana amin'i Jesosy sy hianarana ny momba AzyB. Manontany olona 3 ny amin'ny antony mahafaly azy satria an'i Jesosy izy

TANANA MPANAMPYA. Manokana fotoana maty paika (tsy miova sy ara-potoana) ao amin'ny fahanginana mba hiresahana amin'i Jesosy sy hianarana ny momba AzyB. Miaraha miasa amin'ny olon-dehibe iray mba hifidy zavatra iray eo amin'ny fiainanao izay tianao hatsaraina. Mivavaha, manaova drafitra ary miasà miaraka amin'ny fanampian'i Jesosy mba hanatratra ny marika kendrenao

NY ANDRIAMANITRO - Zava-kendrena

Ny drafitra nataony mba hamonjena antsika

Rehefa mahafeno ireo fepetra ireo ny ankizy dia:

33

Page 34: FAMPIDIRANA - e-monsitezonemandrosoa.e-monsite.com/.../manuel-aventurier-1.docx · Web viewNy zava-kendrena amin'ny fisian'ny Fikambanan'ny Mpisantatra dia ny fanampiana ny ray aman-dreny

Hahalala ny manodidina ny drafi-pamonjena nataon'Andriamanitra sy ny fomba hanandramana manokana ireo fanomezanyHahazo toky ny amin'ny fitiavan'Andriamanitra sy ny famonjena izay miteraka fitiavana mahafinaritra ho Azy ary fahatapaha-kevitra goavana hivelona ho AzyHanaiky ny fanomezan'ny famelan-keloka sy ny fanavaozana omen'i Jesosy Kristy

Ny hafatra omeny antsikaRehefa mahafeno ireo fepetra fototra ao amin'ny Mpisantatra ny ankizy dia :Hahay ny fomba fianarana ny fitiavan'Andriamanitra sy ny drafitra nataony ho antsika eo anivon'ny tantara sy ny BaibolyHanana faniriana ny hanakaiky kokoa an'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fianarana BaibolyHianatra ny Baiboly isan'andro tsy amin-kasarotana sy hahazo mora foana izany

Ny heriny miasa mangina eo amin'ny fiainantsikaRehefa ahafeno ireo fepetra fototra ao amin'ny Mpisantatra ny ankizy dia :Hahay ny fomba fifandraisana mitombo hatrany amin'AndriamanitraHanandrana ny fifaliana avy amin'ny hoe : miaina ho Azy sy vonona ny hijoroHandany fotoana ao amin'ny fahanginana miaraka amin'Andriamanitra ary hitombo isan'andro tahaka Azy

NY TENAKO MANOKANA - Fepetra takiana

I. OLONA MANOKANA AHO

TANTELY MAZOTO MIASA Manana karne kely mirakitra ny anaran'ireo olona izay miahy anao toy izay nataon'i Jesosy ihany

TANAMASOANDROAtaovy ny sarinao ary hampihaingoy amin'ny sary sy teny mamy mikasika anao

MPANORINAManao tahirin-tsary na zavatra azo apetaka maneho ny zavatra azonao atao mba hanompoana an'Andriamanitra sy ny hafa

TANANA MPANAMPYA. Ataovy lisitra ireo zava-mahaliana manokana sy fahaiza-manao izay nomen' Andriamanitra anaoB. Asehoy sy zarao ny talentanao amin'ny fahazoana ny iray amin'ny mari-pankasitrahan'ny Mpisantatra momba izany ary ahafahanao mampiseho ny talentanao

II. AFAKA MANAO SAFIDY TSARA SY FENO FAHENDRENA AHO

TANTELY MAZOTO MIASA Mitanisa fihetseham-po efatra; manao lalaon'ny fihetseham-po

TANAMASOANDROManao ilay lalao hoe: "Inona no ataonao raha ... ? "

MPANORINA

Manana ny mari-pahaizana manokana "Tsikera ny filazam-baovao" ho an'ny Mpisantatra

TANANA MPANAMPY

34

Page 35: FAMPIDIRANA - e-monsitezonemandrosoa.e-monsite.com/.../manuel-aventurier-1.docx · Web viewNy zava-kendrena amin'ny fisian'ny Fikambanan'ny Mpisantatra dia ny fanampiana ny ray aman-dreny

A. Mianatra ny dingana ho amin'ny fanapahan-kevitra tsaraB. Mampiasa fomba hamahana olana roa tena misy eo amin'ny fiainana.

III. AFAKA MIKARAKARA NY TENAKO AHO

TANTELY MAZOTO MIASA Manana ny mari-pahaizana manokana natokana ho an'ny Mpisantatra mikasika ny fahasalamana

TANAMASOANDROManana ny mari-pahaizana mikasika ny Fialam-boly natokana ho an'ny Mpisantatra

MPANORINAManana ny mari-pahaizana mikasika ny Fahalalana Onony natokana ho an'ny Mpisantatra

TANANA MPANAMPYManana mari-pahaizana natokana ho an'ny Mpisantatra mikasika ny Fahadiovana

NY TENAKO MANOKANA - Zava-kendrena

OLONA MANOKANA AHO

Rehefa mahafeno ny fepetra takiana ao amin'ny Mpisantatra ny ankizy dia:Hahalala fa noforonin'Andriamanitra ho manokana ny olona tsirairay ary ho amin'ny tanjona manokanaHanana toky ny amin'ny tombam-bidin'ny maha-manokana azy satria zanak'Andriamanitra sy mpiara-miasa AminyHahafantatra ny heriny sy hiezaka ny hampitombo izany. Hiaiky ny fahalemeny ny ankizy ary miezaka ny hiova

AFAKA MANAO SAFIDY TSARA SY AM-PAHENDRENA AHO

Rehefa mahafeno ireo fepetra takiana ao amin'ny Mpisantatra ny ankizy dia:Hahay ny foto-kevitra rehetra momba ny fandraisana fanapahan-kevitra tsaraHahay ny tombambidin'ny famaritana ny fifaliana manokana ary ny fahombiazana vokatry ny safidy tsara ao amin'i KristyHampiasa ny fahaizana mandray fanapahan-kevitra tsara mba hanaovana safidy eo amin'ny fiainana andavanandro

MIKARAKARA NY VATAKO AHO

Rehefa mahafeno ny fepetra takiana ao amin'ny Mpisantatra ny ankizy dia:Hahafantatra ny lalàn'Andriamanitra mba hahazoana vatana salama ary hahatsapa ny antony maha-zava-dehibe izany ho azyHahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fahasalamana sy ny tombam-bidinyHisafidy ny hankatò ny foto-kevitra fototry ny fahasalamana mba hahatonga izany ho fahazarana raikitra mandritra ny fiainana

NY FIANAKAVIAKO - Fepetra takiana

I. MANANA FIANAKAVIANA AHO

TANTELY MAZOTO MIASA

35

Page 36: FAMPIDIRANA - e-monsitezonemandrosoa.e-monsite.com/.../manuel-aventurier-1.docx · Web viewNy zava-kendrena amin'ny fisian'ny Fikambanan'ny Mpisantatra dia ny fanampiana ny ray aman-dreny

Manaova sary hosodoko na sary tsotra maneho izay zavatra tianao eo amin'ny olona tsirairay ao amin'ny fianakaviana

TANAMASOANDROAngataho ny mambra tsirairay ao amin'ny fianakaviana mba hitadidy fahatsiarovana tsara

indrindra teo aminy

MPANORINA A. Mitantara fiovana natao tao amin'ny fianakaviana. Lazao ny fihetseham-ponao

B. Mitadiava tantara an'ny fianakaviana mitovy amin'ny anareo ao amin'ny Baiboly

TANANA MPANAMPYManamboara faneva na sainam-pianakaviana. NA Manangòna tantara na sary momba ny tantaram-pianakavianareo

II. MIFAMPIAHY NY MPIANAKAVY

TANTELY MAZOTO MIASAA. Mahafantatra izay lazain'ny didy fahadimy momba ny fianakaviana (Eks.20.12)B. Manaova asa telo izay hanome voninahitra ny ray aman-dreninao

TANAMASOANDROAsehoy ny fomba hanampian'i Jesosy anao hanala ny fahasahirananaMampiasà:

- saribakoly ahetsika- lalao andraisan'ny rehetra anjara- lalao hafaMilalao ilay lalao atao hoe "Fanehoam-pitiavana"

MPANORINAManaova lalao maneho fifankatiavana

TANANA MPANAMPYManampy amin'ny fandrindrana ny fanompoam-pivavahan'ny fianakaviana, takarivam-pianakaviana, na fitsangan-tsanganan’ny fianakaviana

III. MANAMPY AHY AMIN'NY FIKARAKARANA NY TENAKO NY FIANAKAVIAKO

TANTELY MAZOTO MIASA Manana ny mari-pahaizana manokana momba ny filaminana sy fiarovana (sécurité) natokana ho an'ny Mpisantatra

TANAMASOANDRO Manana ny mari-pahaizana manokana momba ny aro lozan'ny fifamoivoizana (sécurité routière) natokana ho an'ny Mpisantatra

MPANORINA Manana ny mari-pahaizana manokana momba mpitantana hendry natokana ho an'ny Mpisantatra

TANANA MPANAMPYManana ny mari-pahaizana manokana natokana ho an'ny Mpisantatra izay mbola tsy azo amin'ireto:

- Hakingana- Raharaha ao an-trano- Raharaha hafa

NY FIANAKAVIAKO - Zava-kendrena

Manana fianakaviana aho

Rehefa mahafeno ny fepetra takian'ny Mpisantatra ny ankizy dia:

36

Page 37: FAMPIDIRANA - e-monsitezonemandrosoa.e-monsite.com/.../manuel-aventurier-1.docx · Web viewNy zava-kendrena amin'ny fisian'ny Fikambanan'ny Mpisantatra dia ny fanampiana ny ray aman-dreny

Hahafantatra fa noforonin'Andriamanitra ho amin'ny tanjona manokana ny fianakaviana tsirairay ary manana ny andraikitra sahaniny avy ny tsirairay ao anatin'ny fianakaviana.Ho tia ny fianakaviany ary mahazo aina amin'ny andraikitra tànany ao Handray ny andraikiny ao amin'ny fianakaviana

Mifampiahy ny fianakaviana rehetra

Rehefa mahafeno ny fepetra takian'ny Mpisantatra ny ankizy dia:Hahalala ny tokony hataon'ny mambran'ny fianakaviana mba hivelomany, hiarahany miasa sy milalao am-pifaliana sy ho voninahitr'AndriamanitraHanana fitiavana mitombo ho an'ny mambra tsirairay ao amin'ny fianakaviana ary hifandray mora foana amin'izy ireo.Hiezaka hanamafy ny fifandraisany amin'ny mambra tsirairay ao amin'ny fianakaviana

Manampy ahy amin'ny fikarakarana ny tenako ny fianakaviako

Rehefa mahafeno ny fepetra takian'ny Mpisantatra ny ankizy dia:Hahalala ny fahafaha-manao amin'ny taonany sy izay ilaina hahatonga azy hahaleo tenaHahatsapa fa mihatsara ny fahakingana ary hahatoky izany raha eo am-panorenana ny fiainany miaraka amin'ny fanampian'i JesosyHampiasa amin'ny ara-dalana ny fahaiza-manao ananany

NY TONTOLO IAINAKO - Fepetra takiana

I. NY TONTOLO MIARAKA AMIN'NY SAKAIZA TANTELY MAZOTO MIASA

Asehoy hoe ahoana no hahatonga anao ho namana tsara. Mampiasà:

- saribakoly ahetsika (marionnettes)- lalao andraisan'ny rehetra anjara- lalao hafa

TANAMASOANDROMahavita ny fahaiza-manaon'ny Mpisantatra mikasika ny "Falalalam-pomba"

MPANORINAA. Maka namana olona sembana na olona hafa fomba na olona zokinyB. Manasa io olona io amin'ny fetim-pianakaviana na fetim-piangonana

TANANA MPANAMPY Manana ny fahaiza-manaon'ny Mpisantatra antsoina hoe: "Miahy ny sakaiza"

IV. NY TONTOLO MIARAKA AMIN'NY HAFA MANODIDINA AHY

TANTELY MAZOTO MIASAMilaza ny momba ny asa ataon'ny olona ao am-piangonana. Mitadiava fomba hanampiana azy ireo

TANAMASOANDROA. Tetezo ny manodidina anao. Manaova lisitry ny zavatra tsara sy izay azonao atao hanatsarana azyB. Mitadiava fomba sy fotoana hanatsarana ny manodidina anao

MPANORINAA. Mahay ny lokon'ny sainam-pirenena sy ny hiram-pirenena ary manazava izanyB. Omeo ny anaran'ny renivohitry ny firenenao sy ny filoham-pirenena

TANANA MPANAMPYMifidiana kolon-tsaina maneran-tany hianarana. Mitadiava fomba hizaràna ny fitiavan'i Jesosy amin'ny olona amin'ny alalan'ireo kolon-tsaina ireo

37

Page 38: FAMPIDIRANA - e-monsitezonemandrosoa.e-monsite.com/.../manuel-aventurier-1.docx · Web viewNy zava-kendrena amin'ny fisian'ny Fikambanan'ny Mpisantatra dia ny fanampiana ny ray aman-dreny

V. NY TONTOLON'NY ZAVABOAHARY

TANTELY MAZOTO MIASAManana ny mari-pahalalana Sakaizan'ny Biby natokana ho an'ny Mpisantatra

TANAMASOANDROManana ny mari-pahalalana Sakaizan'ny Zavaboahary ho an'ny Mpisantatra

MPANORINAManana ny mari-pahalalana momba ny zavaboahary izay mbola tsy azo teo aloha

TANANA MPANAMPYManana mari-pahalalana Tontolo iainana natokana ho an'ny Mpisantatra

NY TONTOLO IAINAKO - Zava-kendrena

Tontolon'ny sakaiza Rehefa mahafeno ny fepetra takian'ny Mpisantatra ny ankizy dia:Hahalala ny fomba hampivelarana ny fisakaizana ary mandray anjara amin'ny fomba tsara amin'izanyHo tony eo anatrehan'ny olana ara-tsosialy ary hanao asam-pamindram-po sy herimpoHankasitraka ny fisakaizana amin'ny fampiasana ny fahaiza-manao ara-tsosialy kristiana

Tontolon'ny olona hafa

Rehefa mahafeno ny fepetra takian'ny Mpisantatra ny ankizy dia:Hahalala fa izy ireo dia anisan'ny mponina sy vondrona samihafa ao amin'ny tontolon'AndriamanitraHanaja sy hamindra fo amin'ny olona sy ny vondronaHitondra tena am-pahendrena mba ho tonga ohatry ny fitiavana sy ho modely amin'ny drafitra nomanin'Andriamanitra ho an'ny vahoakany

Tontolon'ny zavaboahary

Rehefa mahafeno ny fepetra takian'ny Mpisantatra ny ankizy dia:Hahalala ny tombotsoa omen'ny zavaboaharin'AndriamanitraHankafia sy ho tia ny tontolon'ny natioraHitondra tena tsara mba hahafahany mikarakara ny zavaboahary sy mahazo fahafinaretana amin'izany

38