2
Handoa fahafolonkarena marina sy fanatitra amin’ny fifadian-kanina amin-kalalahan-tanana. “Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin’ ny trano firaketako… ary izahao toetra amin’ izany Aho…” —Malakia 3:10 Handray andraikitra manokana mba hiasa ary ho lasa mizaka tena. “Ny fizakan-tena dia ny fananana fahafahana sy fananana fanoloran-tena ary fanaovana ezaka mba hanome ireo zavatra ilaina ara-panahy sy arabatana eo amin’ny fiainana ho an’ny tena sy ny fianakaviana.” —Boky Torolalana 2, 6.1.1 Hanomana tsara kokoa “ny taranaka vao misondrotra” mba hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno amim-pahombiazana. “Mandehana any amin’ izao tontolo izao hianareo, ka mitoria ny filazantsara amin’ ny olombelona rehetra.” —Marka 16:15 Hiray hina sy hifankahery amin’ny alalan’ny fanompoana. “…ny mitandrina mandrakariva ireo mpikambana ao amin’ ny fiangonana, ary ny miaraka amin’ izy ireo sy ny manatanjaka azy…” —Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:53 Hanolo-tanana ny tsirairay ary hanavotra ireo izay malaindaina. “…fa ho an’ ny toa azy no hanohizanareo ny fiahianareo…ary Izaho hanasitrana azy…” 3 Nefia 18:32 Hizara ny filazantsara amin’ny hafa izay tsy miray finoana amintsika. “Ary raha toa aza ka…mitondra olona iray monja ho Ahy [ianareo], akory ny halehiben’ ny fifalianareo…” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:15 Hanatsara ny fanajana ny Sabata any an-tokantrano sy any am-piangonana. “Ny Sabatako no tandremo; fa famantarana ho amiko sy ho aminareo izany…” —Eksodosy 31:13 Hihazona amim-pahamendrehana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ny mpikambana rehetra ary handray anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly. “Tsy misy izany hoe fahafoizan-tena lehibe loatra, na sarany mavesatra loatra, na fahoriana mafy loatra, ka tsy mendrika ny hiatrehana azy, mba handraisana [ireo] fitahiana [any amin’ny tempoly].” Filoha omas S. Monson Hamaky ny Bokin’i Môrmôna isan’andro. “Ireo fahamarinana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia manana ny hery manasitrana, mankahery, mamerina amin’ny laoniny, manavotra, mampatanjaka, mampionona, ary mamelombelona ny fanahintsika.” —Filoha Russell M. Nelson Ho lasa mizaka tena mba hanompoana tsara kokoa ny hafa Hifankatia sy hifanompo Hampitombo ny finoana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany sy ny sorompanavotany MANAMAFY ORINA NY FIOVAM-PO AMIN'NY FILAZANTSARAN'I JESOA KRISTY AO AM-PONTSIKA SY AO AN-TOKANTRANONTSIKA & MANORINA NY FIANGONANA EO AMBONY FOTOTRA AZO ANTOKA. VINA DRAFITRY NY VONDROM-PARITRA AFRIKA ATSIMO ATSINANANA | 2019

MANAMAFY ORINA NY FIOVAM-PO AMIN'NY VINA...“Ny fizakan-tena dia ny fananana fahafahana sy fananana fanoloran-tena ary fanaovana ezaka mba hanome ireo zavatra ilaina ara-panahy sy

  • Upload
    others

  • View
    4

  • Download
    0

Embed Size (px)

Citation preview

Page 1: MANAMAFY ORINA NY FIOVAM-PO AMIN'NY VINA...“Ny fizakan-tena dia ny fananana fahafahana sy fananana fanoloran-tena ary fanaovana ezaka mba hanome ireo zavatra ilaina ara-panahy sy

Handoa fahafolonkarena marina sy fanatitra amin’ny fifadian-kanina amin-kalalahan-tanana.“Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin’ ny trano firaketako… ary izahao toetra amin’ izany Aho…” —Malakia 3:10Handray andraikitra manokana mba hiasa ary ho lasa mizaka tena.“Ny fizakan-tena dia ny fananana fahafahana sy fananana fanoloran-tena ary fanaovana ezaka mba hanome ireo zavatra ilaina ara-panahy sy arabatana eo amin’ny fiainana ho an’ny tena sy ny fianakaviana.” —Boky Torolalana 2, 6.1.1Hanomana tsara kokoa “ny taranaka vao misondrotra” mba hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno amim-pahombiazana.“Mandehana any amin’ izao tontolo izao hianareo, ka mitoria ny filazantsara amin’ ny olombelona rehetra.” —Marka 16:15

Hiray hina sy hifankahery amin’ny alalan’ny fanompoana.“…ny mitandrina mandrakariva ireo mpikambana ao amin’ ny fiangonana, ary ny miaraka amin’ izy ireo sy ny manatanjaka azy…” —Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:53Hanolo-tanana ny tsirairay ary hanavotra ireo izay malaindaina.“…fa ho an’ ny toa azy no hanohizanareo ny fiahianareo…ary Izaho hanasitrana azy…” —3 Nefia 18:32Hizara ny filazantsara amin’ny hafa izay tsy miray finoana amintsika.“Ary raha toa aza ka…mitondra olona iray monja ho Ahy [ianareo], akory ny halehiben’ ny fifalianareo…” —Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:15

Hanatsara ny fanajana ny Sabata any an-tokantrano sy any am-piangonana.“Ny Sabatako no tandremo; fa famantarana ho amiko sy ho aminareo izany…” —Eksodosy 31:13Hihazona amim-pahamendrehana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ny mpikambana rehetra ary handray anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly.“Tsy misy izany hoe fahafoizan-tena lehibe loatra, na sarany mavesatra loatra, na fahoriana mafy loatra, ka tsy mendrika ny hiatrehana azy, mba handraisana [ireo] fitahiana [any amin’ny tempoly].” —Filoha Thomas S. MonsonHamaky ny Bokin’i Môrmôna isan’andro.“Ireo fahamarinana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia manana ny hery manasitrana, mankahery, mamerina amin’ny laoniny, manavotra, mampatanjaka, mampionona, ary mamelombelona ny fanahintsika.” —Filoha Russell M. Nelson

Ho lasa mizaka tena mba hanompoana tsara kokoa

ny hafa

Hifankatia sy hifanompo

Hampitombo ny finoana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany sy ny sorompanavotany

MANAMAFY ORINA NY FIOVAM-PO AMIN'NY FILAZANTSARAN'I JESOA KRISTY AO AM-PONTSIKA SY AO AN-TOKANTRANONTSIKA & MANORINA NY FIANGONANA EO AMBONY FOTOTRA AZO ANTOKA.

VINA

DRAFITRY NY VONDROM-PARITRA AFRIKA ATSIMO ATSINANANA | 2019

Page 2: MANAMAFY ORINA NY FIOVAM-PO AMIN'NY VINA...“Ny fizakan-tena dia ny fananana fahafahana sy fananana fanoloran-tena ary fanaovana ezaka mba hanome ireo zavatra ilaina ara-panahy sy

Dia hampiasa ireto mari-pamantarana ny fivoarana manaraka ireto amin’ny fanatanterahanaity Drafitry ny Vondrom-paritra ity:

• Fanatrehana ny fivoriana Fanasan’ny Tompo.• Fampidirana anaran’ny fianakaviana mba hanaovana ny asa hanatontosana ny ôrdônansin’ny tempoly.• Mpikambana nahazo fanafiana masina manana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly mbola

manankery.• Dinidinika momba ny fanompoana izay atao miaraka amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fisoronana

sy ny Fikambanana Ifanampiana.• Olona azo aroso ho loholona mandray ny Fisoronana Melkizedeka.• Batisan’olona niova fo.• Fahavitana fianarana momba ny fizakan-tena.• Olona afaka mirotsaka ho misiônera izay manao asa fitoriana amin’ny fotoana feno.• Misiônera efa niverina manana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly mbola manan-kery.

Dia hampatanjaka an'ireo izay tompoiny amin'ny alalan'ny fanasana sy ny fanampiana azy ireo ombam-bavaka—sy miaraka amin'ny fitarihan'ny Fanahy—amin'ity drafitry ny vondrom-paritra ity.

Dia asaina mba hametraka tanjona mifanaraka amin’ny drafitry ny vondrom-paritra ary hanao asa avy eo mba hivoarana mankany amin’izany tanjona izany.

Ireo mpitarika

Ireo rahalahy sy rahavavy

mpiara-manompo

Ny olona tsirairay sy ny fianakaviana

FANATANTERAHANA NY ASA SY FANDREFESANA NY FIVOARANA

“Manomboha amin’ny fieritreretana ao an-tsaina izay hiafarana.” —Filoha Russell M. Nelson

“Ny zavatra rehetra ataontsika ato ampiangonana dia miton-dra mankany amin'ny tempoly.” —Filoha Russell M. Nelson