9
Lesona 2 hatao ny 9 Janoary, 2021 OLANA EO AMIN'NY FITARIHANA

OLANA EO AMIN'NY FITARIHANA 2021. 1. 7. · mpitsabo, ny dokotera kristiana, eo amin'ny kristiana tsirairay manokana na mpivarotra izy, na mpamboly, na ampiasain'ny hafa izy na mpanao

  • Upload
    others

  • View
    1

  • Download
    1

Embed Size (px)

Citation preview

  • Lesona 2 hatao ny 9 Janoary, 2021

    O L A N A E O

    A M I N ' N Y

    FITARIHANA

  • “Nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah” i Ozia Mpanjaka(2Tant. 26: 4). “Dia niavonavona ny fony, ka nanao izay ratsy izy” (2Tant. 26:16), ka dia tsy maintsy niara-nanjaka tamin'i Jotamazanany izy nandritra ny taona faramparan'ny fiainany.

    Nantsoina ho mpaminany hanameloka ny fahotan'ny Israely taoanatin'izany fotoan-tsarotra izany Isaia. Rehefa maty i Ozia diananapa-kevitra Andriamanitra hanavao indray ny fiantsoanyan'Isaia ho mpaminany tamin'ny alalan'ny fahitana izaynanamarika dingana vaovao teo amin'ny iraka nampanaovinaazy amin'ny maha-mpaminany azy.

    Ny votoatin'ny fahitana

    Ny fahamasinan'Andriamanitra. Isaia 6:1-4

    Ny fiovan'Isaia. Isaia 6:5-7

    Ny iraka. Isaia 6:8

    Ny hafatra. Isaia 6:9-13

  • Anisan'ny fianakavian'ny mpanjaka Isaia, ka nifandrayakaiky tamin'i Ozia izy.

    Mpanompon'Andriamanitra mahatoky i Ozia. Nomenafahaiza-manao lehibe izy. Mpahay tetikady tsara izy, ary sady mpanorina no tantsaha (2Tant. 26:5-7, 9-10, 15).Na eo aza izany dia naniry ny hihoatra noho izaynanaovan'Andriamanitra azy izy. Te hanao raharaham-pisoronana izy ka nofaizin'Andriamanitra tamin'ny habokana(2Tant. 26: 16,19,21).

    Ny vahoaka sisa dia toa voan'ny "habokana" ara-pitondrantena. Nila an'Isaia izy ireo hitarika azy ireo ho eoamin'ilay Mpanjaka tokana sady masina no madio, tsy metymaty ary tonga lafatra.

  • NY FAHAMASINAN'ANDRIAMANITRA “Ary nanandratra ny feony izy kanifamaly hoe: ‘Masina, masina,

    masina Jehovah, Tompon'ny maro; henika ny voninahiny ny tany

    rehetra!’” (Isaia 6:3)

    Te ho eo anatrehan'Andriamanitra Ozia, saingy tsy nahazaka ny fahamasinany. Nankeo anatrehan'Isaia Andriamanitra, aryvoaovan'ny fahamasinany izy.

    Nipetraka teo ambonin'ny seza fiandriananaavo sy manerinerina Andriamanitra; nanenika ny zavatra rehetra ny fanatrehany. Nihovitrovitra ny varavarana ary fenosetroka ny tempoly. Nisy zavamanan'ainanirehitra (midika hoe "ilay mirehitra" ny hoe serafima) nanodidina Azy ka nidera Azy synanambara ny fahamasinany.

    Mazava ny hafatra tao amin'ilay fahitana. Masina Andriamanitra ary mitaky fahamasinana(Lio. 11:45; 19: 2; 20:26; 1Pet.1: 16). Nohamafisina toy ny an'i Ezekiela, Daniela aryJaona ny finoan'Isaia (Ez. 1; Dan. 10; Apok. 1).

  • “Ahoana raha toa ka halahatra hamely an'i

    Joda ny fahefana eto an-tany? Ahoana raha toa

    ka tojo fandavana sy fanoherana Isaia amin'ny

    iraka nampanaovina azy? Nahita ny Mpanjaka

    izy, dia ny Tompon'ny maro. Efa nandre ny

    hiran'ny serafima izy: 'Henika ny voninahiny

    ny tany rehetra'. Koa dia natahotra ny asa

    niandry azy ilay mpaminany. Nanaraka azy

    nandritra ny asa fanompoany lava sy sarotra

    ny fahatsiarovana an'io fahitana io.”

    E.G.W. (Testimonies for the Church, boky 5, tk. 91, p. 751)

  • “Ary natehiny ny vavako izany, ka hoy izy: ‘Indro, efa nitehika tamin'nymolotrao io; ka dia afaka ny helokao, ary voavela ny fahotanao.’” (Isaia 6:7)

    Isaky ny Andro Fanavotana isan-taona, dia rakotry ny setroka ny EfitraMasina Indrindra, mba ho voaafina amin'ny voninahitr'Andriamanitra nympisoronabe. Nitovy tanteraka tamin'izany ilay fahitana, ka nahatsiaroho voatsara Isaia… ary voaheloka!

    Nalaina avy teo amin'ny alitara volamenafandoroana ditin-kazo manitra ny vainafomirehitra. Maneho ny asa fanelanelananaataon'i Jesosy izany. Izy irery ihany no afakamamela ny fahotantsika sy manova antsika.

    Naniry handoro ditin-kazo manitra i Ozia, saingy nandoany saran'ny fahotany izy. Rehefa nokasihin'ilay vainafokosa Isaia dia nataon'Andriamanitra ho ditin-kazomanitra mihitsy izy, sady voavela ny helony.

  • “Ary nandre ny feon'ny Tompo aho nanao hoe: ‘Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho irakay?’ Dia hoy izaho: ‘Inty aho! Iraho aho.’” (Isaia 6:8)

    Rehefa avy nahazo fampaherezana tamin'ny famelan-keloka avy tamin'Andriamanitra Isaia dia nanolo-tenahanatanteraka izay iraka iantson'Andriamanitra ho tanterahiny.

    Rehefa dinihina tokoa, ao amin'ny Fitoerana Masina any an-danitra no hahitantsika fampiononana sy fampaherezana izay hanampy antsikahandresy ny fahoriantsika ary hanatanterahantsika ny iraka ampanaovinaantsika (Salamo 73:17; Apokalypsy5:4-6).

    Manasa antsika hanatona amim-pahasahiana ny sezafiandrianan'Andriamanitra ao amin'nyFitoerana Masina i Paoly. Ao no hahitantsika fahasoavana satria iJesosy no mifona ho antsika(Hebreo4:14-16).

  • Tian'Andriamanitra hibebaka ny olona rehetra ka ho voavonjy (Jao. 3:16; 2Pet. 3: 9). Tsy mitsahatra mandefahafatra fananarana amin'ny alàlan'ireo mpitondra hafany Izy(ary ny mpino rehetra dia mety ho mpitondra hafatra).

    Misy karazany roa ny valiny amin'ireohafatra ireo: fanekena na fandavana. Arakaraka ny handavantsika ireo hafatraireo no vao mainka hahamafy ny fontsikatoy ny an'i Farao. Mihidy tsikelikely nysofintsika sy ny masontsika rehefa mandàtsy hihaino isika.

    Ireo izay manaiky ny hafatra dia antsoinahoe "taranaka masina” (Isaia 6:13).

  • “Izay rehetra manjary mpiray amin'ny fahasoavany dia

    voatendren'ny Tompo hiasa ho an'ny hafa. Isika tsirairay no

    tokony hijoro eo amin'ny anjara toerantsika ka hanao hoe:

    ‘Inty aho; iraho aho. ’Isaia 6: 8. Mipetraka amin'ny rehetra ny

    andraikitra: eo amin'ny mpitoriteny, ny misionera, ny

    mpitsabo, ny dokotera kristiana, eo amin'ny kristiana

    tsirairay manokana na mpivarotra izy, na mpamboly, na

    ampiasain'ny hafa izy na mpanao asa-tanana. Adidintsika ny

    hanambara ny Filazantsara amin'ny olona mba ho famonjena

    azy. Ny raharaha rehetra sahanintsika dia tokony

    hampiasaintsika ho amin'izany fenitra izany.”

    E.G.W. (Tanamasoandron'ny Fahasalamana, tk. 9, p. 111)