294
FAMPIDIRANA FOTO-KEVITRA Ny fiangonana Advantista mitandrina ny andro fahafito dia manome toky fa hanao izay hahafantarana ny tanora sy hanofana ny tanorany ho amin’ny fitarihana sy fanompoana ny olombelona. Ny fikambananan’ny Mpisavalalana dia programan’ny fiangonana mifototra amin’ny lafiny ara-panahy sy fialamboly ary fihetsehana natao ho an’ny tanora 10 ka hatramin’ny 15 taona. Manintona ny tanora ao amin’io sokajin-taona io ny mpisava lalana satria ny programa dia manantitra izay ilainy sy mahaliana azy. Ny ankamaroan’ny fandaharan’asan’ny mpisava lalana dia mirafitra manodidina ny lafiny ara-batana. Ny antony dia satria ny tanora 10-15 taona dia mitombo haingana ny fivelarany ara- batana. Feno fihetsiketsehana, fanaovana vy very, fihaikana, asa iarahana anatina tarika sy manome tombontsoa azo hararaotina Hampivelarana fomba fisaina vaovao sy fahaiza-manao izay hiteraka fitomboan’ny tena manokana, toe-tsain’ny tarika na fiaraha-monina ary ary fahatsapana ny fahatokiana sy fanajana an’Andriamanitra , ny Zava-boariny sy ny Fiangonany. Na dia ho an’ny tanora aza no nisian’ny fikambanana Mpisavalalana tamin’ny voalohany, dia iray amin’ireo fikendreny fototra ihany koa ny hampiraisany ny Ray aman-dreny sy ny mambran’ny fiangonana amin’ny alalan’ny firotsahana an- tsehatra mavitrika miaraka amin’ny klioba sy ny mpikambana ao aminy. Manjavona eo ilay antsoina hoe « hantsana mapisaraka ny taranaka samy hafa » satraia miara-mivavaka, miasa ary milalao ny antitra sy ny tanora ao amin’ny faritry ny fanandramana iombonana. Fifandraisana manana ny lanjany no voavolavola rehefa mizara sy manorina fahatokiana ary miara-miasa amin’ny Mpisavalalana ny mpitarika sy ny mpanolo-tsaina. Ny filozofia manontolo ny Mpisavalalana dia miorina eo amin’ny foto-kevitra hoe « Tsara indrindra ny fianaran’ny ankizy amin’ny alalan’ny ohatra noho ny amin’ny alalan’ny fitsipika » Raha mahita ny mpitarika sy ny Ray aman-dreny ho modely eo amin’ny soatoavina ara-panahy sy ara-piaraha-monina izy ireo dia haniry ihany koa ny hampivelatra fitsipi- pitondran-tena ambony, toe-tsaina feno fitiavana sy 1

FAMPIDIRANA - ZoneMandrosoazonemandrosoa.e-monsite.com/medias/files/manueladmin.docx · Web viewNy ankamaroan’ny fandaharan’asan’ny mpisava lalana dia mirafitra manodidina ny

  • Upload
    hanhu

  • View
    366

  • Download
    12

Embed Size (px)

Citation preview

FAMPIDIRANAFOTO-KEVITRA

Ny fiangonana Advantista mitandrina ny andro fahafito dia manome toky fa hanao izay hahafantarana ny tanora sy hanofana ny tanorany ho amin’ny fitarihana sy fanompoana ny olombelona.

Ny fikambananan’ny Mpisavalalana dia programan’ny fiangonana mifototra amin’ny lafiny ara-panahy sy fialamboly ary fihetsehana natao ho an’ny tanora 10 ka hatramin’ny 15 taona. Manintona ny tanora ao amin’io sokajin-taona io ny mpisava lalana satria ny programa dia manantitra izay ilainy sy mahaliana azy. Ny ankamaroan’ny fandaharan’asan’ny mpisava lalana dia mirafitra manodidina ny lafiny ara-batana. Ny antony dia satria ny tanora 10-15 taona dia mitombo haingana ny fivelarany ara- batana. Feno fihetsiketsehana, fanaovana vy very, fihaikana, asa iarahana anatina tarika sy manome tombontsoa azo hararaotina Hampivelarana fomba fisaina vaovao sy fahaiza-manao izay hiteraka fitomboan’ny tena manokana, toe-tsain’ny tarika na fiaraha-monina ary ary fahatsapana ny fahatokiana sy fanajana an’Andriamanitra , ny Zava-boariny sy ny Fiangonany.

Na dia ho an’ny tanora aza no nisian’ny fikambanana Mpisavalalana tamin’ny voalohany, dia iray amin’ireo fikendreny fototra ihany koa ny hampiraisany ny Ray aman-dreny sy ny mambran’ny fiangonana amin’ny alalan’ny firotsahana an-tsehatra mavitrika miaraka amin’ny klioba sy ny mpikambana ao aminy. Manjavona eo ilay antsoina hoe « hantsana mapisaraka ny taranaka samy hafa » satraia miara-mivavaka, miasa ary milalao ny antitra sy ny tanora ao amin’ny faritry ny fanandramana iombonana. Fifandraisana manana ny lanjany no voavolavola rehefa mizara sy manorina fahatokiana ary miara-miasa amin’ny Mpisavalalana ny mpitarika sy ny mpanolo-tsaina.

Ny filozofia manontolo ny Mpisavalalana dia miorina eo amin’ny foto-kevitra hoe  « Tsara indrindra ny fianaran’ny ankizy amin’ny alalan’ny ohatra noho ny amin’ny alalan’ny fitsipika » Raha mahita ny mpitarika sy ny Ray aman-dreny ho modely eo amin’ny soatoavina ara-panahy sy ara-piaraha-monina izy ireo dia haniry ihany koa ny hampivelatra fitsipi-pitondran-tena ambony, toe-tsaina feno fitiavana sy mikarakara, ary fahavononana ny ho tsara indrindra amin’ny zavatra isan-karazany tiany ho tratrarina.

Mianatra amim-pahombiazana kokoa ny tanora ao antin’ny rivo-piainana azo antoka, mahafinaritra sy tsy misy atahorana. Ny toe-tsain’ny mpitarika izany dia tena zava-dehibe iankinan’ny aina eo amin’ny fahazoana antoka ny fahombiazana amin’ny asa fanompoana ny tanora. Ny tsy fahombiazana eo amin’ny fihainoana sy fahafantarana ny tanora dia hanangana sakana fotsiny ihany amin’ny tena fitomboana sy fivelarana ara-panahy, ary mety ho zavatra izay mahatonga ny Fiangonana sy ny iraka nampanaovina azy ho tsy manintona.

TANJONA

Anisan’ny ampahany tsy azo sarahana amin’ny fikambanana izany foto-kevitra izany. Ivon’io fandaharan’asa io ny kilasim-pandrosoana enina sy ny asa manavanana efa ho 250. Mety ho tratra ireto tanjona manaraka ireto raha toa ka ny mpitarika ny fikambanana dia miezaka ny:

1. Hanampy ny tanora hahafantatra fa Andriamanitra sy ny Fiangonany dia tia sy mikarakara ary mankasitraka azy ireo.

1

Raha ekena sy lazaina fa marina izay ambaran’ny Mpisavalalana dia hanomboka hankasitraka ny fitiavan’Andriamanitra aseho amin’ny alàlan’ny Fiangonana sy ny asa fanompoana, ary hahatsapa ny ilàna ny mandray an-tanana sy mirotsaka an-tsehatra bebe kokoa amin’ny fandaharan’asany.

2. Hamporisika ny mpisava lalana hikaroka ny hery nomen’Andriamanitra ny tenany sy hampiasa ny fanomezamy sy ny fahafaha-manaony hanatanterahana izay andrasan’ Andriamanitra aminy sy ny anjara asa azony atao ao amin’ny drafi-pamonjena lehibe.

3. Hanindry mandry ny tanora mba hanome ny fanehoan’ny tenany manokana ny fitiavany an’Andriamaniny amin’ny fampiarahana azy ireo hanao fihetsiketsehina samy hafa hanatrarana ny any ivelany.

4. Ataovy ho laharam-pamehana voalohany amin’ny fandaharan’asa ny fikambananao ny famonjena ny tenan’ny Mpisavalalana rehetra. Ny taonan’ny Mpisavalalana dia fotoana izay hanaovany fanapahan-kevitra maro izay hahakasika ny fifandraisana hoavin’ny tanora sy ny fivelaran’ny tenany manokana. Ny fotoana faratampony amin’ny fahitana sy ny fanorenana fifandraisana amin’Andraiamanitra dia toa manodidina ny faharoambinifolo taona.

5. Hanorina eo amin’ny fiainan’ny Mpisavalalana fankasitrahana sy fitiavana madio ny voarin’Andriamanitra amin’ny alàlan’ny fankafizana ny fihetsiketsehana any ivelan’ny trano.(Filasiana, fitsangatsanganana eo anivon’ny natiora, mari-pankasitrahana mikasika ny zava-boary,sns) Hanandrana ny fahagagana sy fiankohofana ny Mpisavalalana raha mandinika sy mamantatra ny hatsara sy halehibeazana ary ny hery mamorona ao amin’ny zava-boary. Hanjary hisy dikany kokoa ny fisakaizana amin’ Andriamanitra.

6. Hampianatra ny Mpisavalalana fahaiza-manao sy fialam-boly manokana izay hahatonga ny fiainany ho misy dikany kokoa ary hibahana ny fotoanany amin’ny zavatra mahasoa ataony. Mahatsapa fahafaham-po sy fahafinaretana ny tanora raha mampiasa ny tanany hamolavola zavatra mahasoa amin’ny alàlan’ny hazo, plastika, vy, tanimanga, volon’ondry, kofehy ary hahita fa mandeha sy mety ny zavatra hataony.

7. Hamporisika ny mpisava lalana hitaiza ny vatany ho tomady. Anisan’ny fomba iray manan-danja ho fiarovana amin’ny fahakamoana sy ny fahasorenana izany. Ampianaro ny ankizy hikarakara ny vatany sy hametraka fahazarana izay hanome azy fahasambarana sy fahasoavana amin’ny hoaviny.( Jer. 2T536,537 ; Education, p.195)

8. Hanome toe-javatra azo hararaotina hampivelarana ny fahaiza-mitarika amin’ny alalan’ny famporisihana ny mpikambana hiara-miasa sy handray anjara eo amin’ny andraikitra fitarihana. Hampianatra azy ireo ny leson’ny fankatoavana, fitsipi-pifehezana, fahaiza-mikaroka, fitiavan-tanindrazana, ary ny dingan’ny fihetsehan’ny tarika.

9. Hikatsaka izay hanamafisana fivelarana mirindra eo amin’ny fiainana ara-batana, ara-piaraha-monina, ara-tsaina sy ara-panahin’ny Mpisavalalana. Ny fanatanjahana ny saina sy ny vatana ny fanamafisana ny fanahin’ny tsi-fitiavan-tena, ny fahalianana amin’ny fihetsehana ara-koltoraly sy fialam-boly dia hanome fahavitrihana ho amin’ny fitomboan’ny tenany manokana ary hiasa amin’ny famoahana ny hery tsy mety sasatra ao anatiny izay matetika miteraka fahasimbana sy loza eo amin’ny tanora.

2

FITARIHANAMendrika ny hahazo fitarihana ny tanora advantista. «Izy izay miara-miasa amin’ny

fikasan’Andriamanitra amin’ny fizarana ny fahalàlana an’Andriamanitra amin’ny tanora, famolavolana toetra hifanaraka amin’ny azy, dia manao asa ambony sy mendrika. Mamoha ny faniriana ny hanatratra ny filamatr’Andriamanitra izy, sy maneho fanabeazana avo tahaka ny lanitra sy mivelatra tahaka ny izao voahary rehetra izao. » Education, p.19

Miaraka amin’izany fihaikana eo anoloantsika izany dia ilaintsika hihevitra amin-kafanam-po ireo toetra tsara manokana fototra eo amin’ny fitarihana. Ilain’ny mpitarika ny :

1. Hiaina fiainana mifototra amin’i Kristy. Mila mpitarika kristiana hamokatra kristiana lehilahy sy vehivavy kristiana. Mihoatra an’izany, ny lehilahy sy vehivavy izay mitarika Mpisavalalana dia hanana fiainana izay voamariky ny fiainana izay manana an’i Kristy ho ivony. Tsy maintsy asehony izay andrasany hahatongavan’ ny tanora. Hiseho ho azy ao amin’ireo fanatanterahana amim-pitiavana ny adidy rehetra fantatra sy fanahin’ny fahatokiana ary toe-tsaina manantena ny zavatra rehetra ho tsara mikasika ny fanorenana ny fanjakan’Andriamanitra eto an-tany.

2. Tia marina ny tanora. Ny hany hery manosika mahafa-po amin’ny fanompoana ao amin’ny fikambanan’ny Mpisavalalana dia ny fitiavana ny fitomboan’ny tanora. Izany fitiavana izany dia tsy ho be loatra ny fanehoana azy amin’ny alàlan’ny teny sy ny asa. Moramora ny hikorianan’izany any am-pon’ny Mpisavalalana rehefa mandany ny fotoanany, ny heriny, ny fisakaizany amin-kafaliana miaraka amin’ ny tanora hofanina ny lehibe. Moramora ny hahatsapan’ny tanora ny drafitr’asa volavolaina ho azy ireo, ny faharetana tsapa aseho rehefa manatrika olana izy ireo. Aseho amin’ny faharetana izany fitiavana izany na dia tsy mankasitraka izany ary ireo tanora zandriny ary toa manao tsinontsinona ny torohevitra omena.

3. Aoka hijery ny lafin-javatra tsara mandrakariva ary ho feno hafanam-po. Ny toetra falifaly sy miramirana dia fananana sarobidy ho an’ny mpitarika mpisava làlana. Mifindra ny hafanam-po, ary manaraka morafoana ny fitarihana mijery mandrakariva ny lafintsaran-javatra ny zatovolahy sy zatovovavy. Ny mpitarika feno fahombiazana dia manamafy ny lafintsarany ary manohana ny fandaharan’asa amin-kery sy fahakingana.

4. Mahafehy ny fihetseham-pony. Ny tena mpitarika marina dia mahafehy ny fihetseham-pony. Voalanjalanja tsara ny toetra manokana mahaizy azy ny tsirairay. Azo tanterahina amin’ny alalan’ny fifehezan-tena sy fahalalana onony, finoana sy fahatokiana an’Andriamanitra, ary ny fahatsapana andraikitra. Ny fipoahan’ny toetra ratsy, fahatezerana, na fahasosorana na inona na inona dia hanimba ny endrika sahaza ny tenan’ny mpitarika izay tokony hananan’ny tovolahy sy tovovavy.

5. Mahita fahafinaretana amin’ny eny ankalamanjana Maro amin’ireo fihetsiketsehan’ny Mpisavalalana no tanterahana eny ankalamanjana. Mpitarika feno ao amin’ny Mpisavalalana feno fahombiazana dia handamina ny fandaharan’asan’ny fikambanana handraisana ireo toe-javatra rehetra azo hararaotina hampidirana ny mpikambana amin’ny fanandramana vaovao hita eny an-tendrombohitra, an-dohasaha, amoron-dranomasina sy eny amoron’ny farihy sy

3

renirano. Hamolavola fikarohana ny zava-boary, filasiana, dia an-tongotra lavitra izay hitondra fahaiza-manao vaovao sy madio ho an’ny fikambanana.

6. Hahafantatra ny toetra mampiavaka ny Mpisavalalana. Ny taonan’ny Mpisavalalana dia mahafaoka ny aloha sy ny fiandohan’ny taonan-jatovo. Ilaina ny hahafantaran’ny mpitarika mahomby ireo zavatra mahakasika sy manery ny tanora zandriny ary ny toe-javatra mampiavaka izay iombonan'io sokajin-taona io. Ilainy ny mahatsiaro ireo toetra tsara tena tian’ny tanora eo amin’ny fitarihana. Ho tsapan’izy ireo ny toe-panahy, toe-tsaina sy ny toetra maha izy ny tena manokana. Tena hahasoa tokoa ny famakiana boky, fanaovana fandinihana, ary hiezaka ny hiasa mifanaraka amin’ny fironana sy fanao ara-dalàna toy izay hifanohitra amin’izy ireo mivantana.

7. Hahafehy fahaiza-manao isan-karazany. Ny fahaiza-manao rehetra voafehin’ny mpitarika dia fanalahidy fanampiny izay azo ampiasaina hamohàna fo sasantsasany mihidy. Tena ilaina tokoa ny ho liana amin’ny zavatra rehetra, hananana fanandramana isan-karazany mba hahatonga ny anankiray hanana zava-baovao mandrakariva ho entina eo amin’ny tarika misy azy. Tena ilaina ny hihoaran’ny mpitarika lavitra ny fihetsiketsehana izay hitarihany ny Mpisavalalana. Hitoetra eo aloha ny mpitarika amin’ny fampivelarany ny fahaiza-manao. Isaky ny fiofanan’ny mpitarika Mpisavalalana dia tokony ho afaka hahita fifaliana amin’ny fanandramana vaovao.

8. Mahafantatra ny fomba handaminana. Ny mpitarika rehetra izay nahavita izany dia tsy maintsy mahay mandamina. Ny mpandamina dia mametraka ny zava-kendreny, avy eo manombana ireo zavatra rehetra izay mety ho ampiasaina hahatratrarana io tanjona io. Avy eo, mametraka dingana voafaritra mazava tsara izay holalovana amin’ny fanatanterahana io ny anjara asany. Avy eo manome andraikitra ireo olona havanana, amin’ny fampiasana olona sy toe-javatra mety betsaka arak’izay azony hetsehina. Mandrindra ireo mpiara-miasa ireo izy avy eo ary mamporisika ny fandrosoana amin’ny dingana tsirairay mandra-pahatratry ny tanjona. Izany no atao hoe fandaminana.

9. Mihazona fifandraisana mahafinaritra amin’ireo mpiara-miasa namana. Tena manan-danja tokoa io resaka fifandraisana isam-batan’olona io. Ny tsiambaratelo dia ny fifankatiavan’ny mpirahalahy, tiava ny hafa mihoatra ny tenanao. Ny mpanolo-tsaina dia tsy maintsy mianatra ny hanana fifandraisana mahafinaritra amin’ireo izay mitovy aminy sy manompo eo amin’ny sehatra mitovy amin’ny azy. Tsy maintsy ho afaka ny hifaly amin’ny fahombiazana, fanondrotana, fankasitrahana omena ireo mpanolo-tsaina namany. Na inona na inona fahombiazana na voninahitra omena azy dia tokony ho ekena amim-pahamaotinanana sy fifehezan-tena. Tsy maintsy mikolokolo fifandraisana mahafinaritra amin’ny lehibeny ny mpitarika. Tsy mampaninona izay toerana misy antsika ankehitriny, misy ireo ambonintsika eo amin’ny andraikitra. Tsy maintsy ataontsika izay rehetra azontsika hatao ho mahatoky sy hiasa amim-pirindrana ary hiara-miasa amin’izy ireny. Raha toa manana hevitra mifanohitra isika dia dia tokony hiresaka izany mivantana amin’ny lehibentsika fa tsy hiresaka amin’ireo mpanolo-tsaina namantsika na ny Mpisavalalana. Rehefa eo amin’ny toeran’ny mpanara-maso ny mpitarika iray dia tokony hikolokolo fifandraisana mahafinaritra amin’ireo olona eo ambany fahefany. Tsy tokony hialona na hanavakavaka mihitsy. Ny ezaka hataony dia hifantoka amin’ny fampaherezana ny mpitarika tsirairay eo ambany fahefany. Tokony ho tsaroany fa ny fahombiazany

4

eo ambany fahefany dia fahombiazany ihany koa. Tokony ho tsaroany ihany koa fa andraikiny ny fanofanana ireo izay eo ambaniny mba handray ny toerany.

10. Manana toetra maha-te-hanaja. Tokony hanana toetra maha-te-hanaja ny mpitarika ao amin’ny Mpisavalalana. Midika izany fa tokony hanana fahamendrehana izay hahatonga ny Mpisavalalana ho moramora aminy ny hifehy ny tenany. Eo andanin’izany dia tokony hafana amin’ny fanatrehany ny mpitarika, ka hitarika fahatokiana sy hiteraka fisakaizana. Tena manimba ny hatsaram-panahy raha toa ka tsy hentitra ary tsy eo amin’ny toerany tanteraka ny hentitra tsy misy hatsaram-panahy. Ny mpitarika ny Mpisavalalana dia tokony ho « fitiavana aseho eo amin’ny tenan’ny miaramila mpifehy hentitra. »

11. Kolokoloy ny toe-tsaina mora mahita na mandray izay mampihomehy. Ny mpitarika rehetra izay mifandraharaha amina tanora dia tsy maintsy ho matsilo amin’ny fandraisana na fahitana izay mampihomehy. Misy toe-javatra maro izay natao hahatezitra na hampalahelo ny mpitarika iray. Ny tanora dia tena mahay manao vazivazy amin’ny fihetsiky ny lehibe. Ny mpitarika manana io toe-tsaina io dia ho mora aminy ny handray izany. Misy tononkalo tranainy mahaliana izay manao hoe:  « Ny fahendrena amin’ny antonony dia tsy tokony ho olona iray tena fetsifetsy na maranitra. Ary ny fon’ny olona manam-pahaizana izay mandalina dia mahalana no ahenoana fifaliana mikarantsana. »

12. Aoka tsy ho lany hevitra sy ho tia karokaroka. Tena zava-dehibe ho an’ny mpitarika ny ho afaka hanatratra ny tanjona na dia eo aza ny sakantsakana sy ny zava-tsarotra eny an-dalana. Ny fahaiza-mikaroka hevitra dia hahatonga azy ho afaka hanova ny drafitra raha toa ka voasakana ny làlana tiany kokoa. Ho malady amin’ny fandinihana. Tsara lahatra ka mazava ny heviny. Ny mpitarika dia lehilahy sy vehivavy izay mahita làlana na mamboatra anankiray sy maniry ny hamela an’Andriamanitra hanatanteraka ny Planany amin’ny alàlan’izy ireo.

13. Miantso fiaraha-miasa. Amin’ny maha- mpitarika vondrona, dia ho hitanao fa ny fahombiazanao dia tsy miankina amin’ny tenanao samirery fa ny fiaraha-miasan’ny olona rehetra miaraka aminao. Raha tsy miara-miasa izy ireo dia tsy hahatabteraka na inona na inona hianao na dia hiseho ho maranitra tahaka ny inona aza. Ny olana ho anao izany dia ny hianatra ny hangataka fiaraha-miasa amin’izy ireo. Ahoana ary ny fomba hanatanterahana izany ?

a. Aoka ho maha-te- ho tiab. Aoka ho malala-tanana amin’ny fankasitrahana.d. Mangataha hevitra aman’olona.e. Ataovy yzay hahatsapan’ny olona fa manan-danja izy.f. Aza hatao izay hahasadaikatra na iza na iza.g. Mitarika fa tsy manery

h. Mianara mitadidy anarana i.Tazony ny teny fampanantenanao.

j. Aoka ho falifaly sy mijery ny lafin-tsaran-javatra mandrakariva.k. Aza mihambo.l. Aza mandray fanapahan-kevitra rehefa tsy milamina ny fihetseham-po.m. Tsaboy miaraka amin’izay ny zavatra nandratra rehetra.n. Mifidiana mpanampy mahavita azy.o. Aoka ho olon’ny asa.p. Aoka ho tia ny miara-miasa amin’ny hafa.

5

« Ny fahefana tsy misy fahendrena dia tahaka ny famaky dombo mavesatra: mety kokoa raha hanorotoroana nohon’ny handambolamboana. » -Ann Bradstreet.

MAHAFANTATRA NY MPISAVA LALANA SY NY MPIARA-MIASA (Staff)

TAOM-PAHAZAZANA VOALOHANY (1-6)

Ny taom-pahazazana voalohany dia fotoana feno fihetsiketsehana mafy. Gaga foana isika mahita ny habetsaky ny hery ananan’ny ankizy avy amin’ny sakafo hohaniny. Miaina eo amin’ny tontolon’ny nofinony, ary mameno izany amin’ny voary hafahafa sy matetika aza foromporonin’ny saina fotsiny. Tsihitahita akory dia manjary ho toy ny sahona izy avy eo toy ny soavaly, eny toy ny fiaran’ny mpamono afo indray aza. Tsy mbola afaka manavaka ny tena izy sy ny sarintsariny izy, ary tena mino marina fa ny alikabe mainty dia bera. Ny fahasarotan’ny famindrana ny tontolo nofinofy ao an-tsaina mankany amin’ny tontolo tena izy d dia mampirongatra ilay antsoina hoe mandainga izay tena fahita tokoa amin’io taona io. Feno fahalianana izy ary manontany mandrakariva hoe, « Nahoana? » sy ny hoe « Inona? ». Tena fatra-paka-tahaka izy, ary handray teny ratsy na fahazaran-dratsy izay tsy fantany akory ny dikany. Tiany ny mandany fotoana amin’ny kilalao mavitrika toy izay mahafinaritra, tiany ny tantara misy tonony mampihomehy sy mirìma, ary tiany raha averimberina foana izany.Tena fatra-pino izy ka mino izay rehetra lazain’ny Ray aman-dreniny na olona namany hafa hatokisany.

TAOM-PAHAZAZANA ANTENANTENANY (7-9)

Mandritra ny taom-pahazazana antenantenany dia mbola mitohy ny fihetsiketsehana be., kanefa efa voafehy kokoa izany,ary misy tanjona manosika azy. Mbola liana mandrakariva izy ary mameraka fanontaniana maro izay tokony hovaliana amin-kitsim-po, kanefa efa manomboka mihamivelatra ny sainy, ary mandray tsoa-kevitra avy amin’ny alàlan’ny fandinihana sy ny fisainan’ny tenany manokana izy. Manana dikany vaovao ny zavatra taloha, ary mihamivelatra isan’andro ny tontolo misy azy. Aleony tantara mety ho niseho tokoa toy izay zavatra foronin’ny saina fotsiny. Mankatahaka ny mpanao izy ankehitriny fa tsy ny zavatra atao. Tiany ny mpamboatra fiarakodia toy izay ilay fiara. Mila namana iizy ankehitriny fa tsy tiany ny milalao irery, kanefa mbola mitazona ny toetra ananany manokana; Fohy dia fohy ny fotoana hifantohany, mitaky fiovana hetsika matetika izany.

MIALOHAN’NY TAONAN-JATOVO (1O-12)

Feno tabataba sy fihetsehana tsy misy fitsaharana, miadana ny fitomboana, tsy manam-petra ny fahasalamana amin’io taonan’ny tanora zandriny io. Toa mivelatra ara-batana ara_tsaina eny nadia ny ara-pihetseham-po bebe kokoa nohon’ny lehilahy ny vehivavy. Maharitra roa taona izany tombony izany ho an’ny 12 taona, kanefa aorian ‘izay dia manomboka tratran’ny lehilahy hatrany amin’ny faha-18-19 taona. Misy fironan’ny vondrona ho amin’ny fahaleovantena sy ny fanamafisana ny maha-izy ny tenany. Malaky mahay ny ankizy any an-tsekoly, ary manana hery mahatalanjona amin’ny famerenanny izay henony na nianarany. Manana fitalanjonana lehibe ho an’ny olona izay « mahavita zavatra » izy ankehitriny, ary miroborobo ny tantara mikasika ireo olona manana herim-po.Mandritra io fotoana io no ananan’ny ankizy fahalianana miredareda ny amin’ny fivavahana. Hitany ho

6

voajanahary ny fitodihana any amin’i Kristy ary manolotra ny tenanany ho Azy sy ny Fomba Fiainany.

TOETRA MAMPIAVAKA NY ARA-TSAINA

1. Taom-bolamenan’ny fitadidiana ny taona mialohan’ny taonan-jatovo.Tahaka ny savoka ny fandraisan’ny sainy zavatra ary tahaka ny varahina ny fihazinany azy. Mahay zavatra haingana ary mora mahatadidy ny ankizy 1O-12 taona.

2. Mavitrika ny tanora zandriny amin’io taona io ary tena mazoto mikarokaroka sy mianatra. Tiany ny mandravarava zavatra sy mijery ny fomba nanamboarana azy. Tiany ny mamboatra zavatra alain-tahaka.

3. Mpitia tantara sy boky tsara izy ireo, ary mandrakariva tia mamaky boky.4. Tena liana amin’ny fanangonan-javatra izy. Ny mpanabe sasanydia maminavina fa

ny 90 isan-jaton’ny ankizy amin’io taona io dia manangona zavatra iray na zavatra hafa. Manangona zavatra efatra na dimy samihafa amin ‘ny fotoana iray ihany izy ireo. Fotoana tsara indrindra amin’ny fianarana asa manavanana io.

5. Tsy taonan’ny fandalinana zavatra iray manokana io, kanefa ny fikambanan’nympisava làlana dia tokony hanokatra varavaran’ny fahalianana maro ho an’ny mpikambana  Zava-dehibe tokoa ny fahitana zavatra mahaliana vaovao amin’io taona io, tena mahomby ny fandaharan’asa mandritra ny telovolana mikasika mari-boninahitra na asa manavanana iray.

6. Mbola fohy ihany ny halavan’ny fifantohany, ary mora sorena amin’ny fandaharan’asa tsy dia mihetsiketsika izy.

TOETRA MAMPIAVAKA NY ARA-BATANA.

1. Vanim-potoana tena mahasalama azy indrindra io.2. Mifandanja tsara ny sainy sy ny vatany. Vonona ny hianatra lalao, dia sy

hakingana.3. Vanim-potoana mampihetsiketsika lalandavaio tsy afaka « mipetraka ary hendry

tsara » ny ankizy iray mandritra izany. Manana faniriana raikitra ny hampiasa ny avokavokany, izay mahatonga ny fifanarahana sy ny faritra ao an-trano tery loatra ho an’ny fihetsiketsehany tsy misy fetra sy mitabataba.

4. Hoy ny olona anankiray « Toa tsy misy mihintsy toerana antenantenany mahafinaritra eo amin’ny fitondrantenan’ny ankizy. Na mihazakazaka tsy voafehy na tsy mihetsika toy ny maty – ary mahatonga tahotra ao am-pon’ny Ray aman-dreny avokoa ireo »

TOETRA MAMPIAVAKA NY ARA-PIARAHA-MONINA

1. Tia ny mamantatra zava-liafina sy manao vy very ny mpisavalàlana amin’io taona io.

2. Mianatra ny miasa miaraka amina tarika izy kanefa mihazona toe-tsaina mahaleo tena.

3. Voajanahary ny faniriana mafy te-handehandeha fa tsy ditra akory. Taonan’ny fikarohana sy ny fakana sary an-tsaina ny zavatra ataon’ny bibidia na toe-javatra natao tamim-pahasahiana tamin’ny andro taloha.

4. Taonan’ny fiankohofana amin’ny olo-malaza mahery fo ary tena mora minomino zavatra.

5. Kely dia kely ny fahalianany amin’ireo olona tsy mitovy taovam-pananahana aminy. Aleon’ny lehilahy miaraka amin’ny mitovy aminy, ary ny vehivavy dia mifidy ny vehivavy tahaka azy.

7

TOETRA MAMPIAVAKA NY ARA-PANAHY

1. Taona izay tena mampahaliana amin’ny zavatra ara-panahy sy mampahazoto amin’ny asan’ny fiangonana.

2. Taona faratampony amin’ny batisa io (12)3. Ny mpisavalalana amin’io taona io dia tia ny fihetsiketsehana Zarao ny Finoanao

ary faly amin’ny fankasitrahana bokotra (pins) sy ribà.4. Ny toetra tsara mora mino dia mahatonga io taona io ho mora ny fanomezana

torolàlana ara-pivavahana sy ara-pitondrantena.

FIANDOHAN’NY TAONAN-JATOVO (13-15)

Haingana ny fitomboany ankehitriny, izay mitondra miaraka aminy ny fitavozavozana nohon’ny tsy fahampian’ny firindrana eo amin’ny saina sy ny vatana. Miteraka fahasahiranana eo amin’ny tanora ihany koa, satria misy taova sasantsasany, toy ny orona, molotra, sy ny tongotra mitombo haingana kokoa nohon’ny taova hafa amin’ny tena, mahatonga azy ho toy ny « ganagana ratsy tarehy » ary miteraka tahotra tsy miloaka fo ho hoatran’izany foana izy. Nahatratra ny haavony ny taonan’ny fanaovana andiany ka mihamanomboka miala, ary misolo toerana azy ny fahalianana amin’ny taovam-pananahana arahina fahasarotan-kenatra eo amin’io dingana io. Misy tombony voafaritra tsara ny fivelarany ara-tsaina, mahatongan ytanora ho tia mitsikera izany fa tsy mora mino tahaka ny tany aloha.Manome fotoana betsaka hanofisana antoandro sy hieritreretana sy hahaizy azy sy ho ataony any aoriana izy. Manana fitiavana ny hafa miavaka tsara izy ary manao fihaikana ny hanao zavatra mendrika eto amin’izao tontolo izao. Mitohy ny fahalianana amin’ny lafiny ara-pivavahana ary manomboka ho lasa fanandramana ny zavatra ara-panahy fa tsy fanekena ambongadiny fotsiny.

Toetra mampiavaka ny ara-tsaina1. Mavitrika ny tanora, kanefa manonofy atoandro2. Mahay mianatra zavatra haingana ny tanora3. Manomboka liana amin ‘ny faritra manokana ny tanora.

Toetra mampiavaka ny ara-batana1. Tena tsara ny fahasalamany manarakaraka ny vani-potoana mialohan’ny taonan-

jatovo.2. Tena mitombo haingana ny ara-batana, fahazotoan-komana mahatalanjona no

miaraka amin’izany fitomboana izany;3. Tsy mifanindran-dalana amin’ny fitombon’ny taolana ny fivelarana sy firindran’ny

hozatra ka mahatonga azy hitavozavoza sy votsavotsa.4. Mivelatra ny taovam-pananahana ; mahatonga fiovana haingana eo amin’ny lafiny

ara-biolojia. Ireo tsiranoka vaovao izay mampivelatra ny faniriana ara-pananahana dia misy fiantraikany eo amin’ny fitondrantena. Hoy i Rousseau: « Teraka indroa isika; ny voalohany dia ho amin’ny fisiana ary ny faharoa dia ho amin’ny fiainana, ny voalohany ho anisan’ny taranaka iray ary ny faharoa dia ho anisan’ny maha-lahy na maha-vavy.»

5. Lehibe kokoa ara-keviny ny haben’ny vehivavy nohon’ny lehilahy amin’ny faha 12 sy 13 taona, kely kokoa izany amin’ny faha 14 taona ary kely izy amin’ny faha-15 taona, manatombo 5sm ny lehilahy rehefa 16 taona.

8

Toetra mampiavaka ara-piaraha-monina1. Taona tena hanajana sy hitokisana ny andiany mpiaraka, matahotra ny tsy hitovy

amin’ny tarika. Mitady ny fankasitrahan’ny tarika amin’ny fihetsehana rehetra ny tanora.

2. Mitady ny fahafahan’ny tenany manokana bebe kokoa izy miaraka amin’ny fahaiza-manavaka vaovao ny toetra tsara ao anatin’ny tsirairay. Nanamarika i Weigles: « Ny fahitany dia tafiditra amin’ny asa ety ivelany ary mahatratra ny fanahy any anatin’ny olona iray. Manomboka manavaka ny toetra tsara ao anaty izy ary mahatsapa ny fahamendrehana avy hatrany ananan’ny fahamarinana, finoana, sy ny fanoloran-tena. Feno fanirian-daza izy ary manao drafitra ny amin’ny ho avy… »

3. Miovaova matetika ny toe-panahiny. Amin’ny fotoana anankiray miseho amin’ny fihetsiketsehana be kanefa, amin’ny fotoana hafa tsy tsy miraika. Amin’ny maraina mety ho malala-tanana ny zatovo amin’io taona io kanefa ny folakandro dia toa tiany ho an’ny tenany daholo ny zavatra rehetra. Amin’ny ora anankiray tena mahagaga ny fireharehany ny amin’ny tenany, kanefa amin’ny ora hafa tena saro-kenatra.

4. Miseho amin’ny fomba maro izany toetrany hafahafa izany: a. fitiavana be loatra na fankahalana sakafo anankiray; tsy mahalala onony mihintsy amin’ny sakafo anankiray tena tianay.

b.Fitiavana mihazakazaka be loatra ,miaraka amin’ny fironana hanao mihoatra izay azo atao. d.Tia mampihomehy amin’ny fomba tsy dia mety ; ny vehivavy manana fironana hikikikiky.

5. Voasarika any amin’ny tanora tsy mitovy fananahana aminy io sokajin-taona io. Zava-doza io taona io amin’ny fakam-panahy amin’ny lafiny ara-pananahana sy ara-piaraha-monina, raha tsy voaomana amin’ny fitadiavana izay ho namana ny tanora.Tokony ho ampiana tosika ny fihetsiketsehana anaty tarika amin’io sokajin-taona io. Tokony asiana vehivavy lehibe miaraka amin’ny tovovavy amin’ny zavatra rehetra ataon’ny mpisava làlana any ivelany, oh: fitsangatsanganana, Camporee, sns.

Toetra mampiavaka ny ara-panahy 1. Mihena kely ny fahalianana ara-panahy amin’io taona io, kanefa ny tanora dia

mahzo hery miasa mangina amin’ny toe-tsain’ny tarika misy azy.2. Ny fahateloambinifolo taona no taona faharoa mahabetsaka ny isan’ny tanora

atao batisa ao amin’ny fiangonantsika.3. Io no taona izay hamaritany ny safidy ny amin’izay ho asany eo amin’ny

fiainana.Tokony hiharihary noho izany ny mahazava-dehibe ny hanehoana eo anoloan’izy ireo ny anjarany eo amin’ny famitana ny asan’ny filazantsara.

4. Kelikely kokoa ny fironana haneho ny fihetseham-pony amin’ny resaka fivavahana na faharesen-dahatra eo amin’io sokajin-taona io.

5. Misy matetika ny fifanoherany amin’ny feon’ny fieritreretana.6. Mivelatra ny fahalianana amin’ny tetik’asa fanompoana mandritra io taona io.

TAONAN-JATOVO ANTENANTENANY (16-17)

Mitohy haingana be ny fitomboany, mahatratra ny fahafenoan’ny halavany amin’ny lafiny rehetra ny tanora amin’ny fiafaran’io fe-potoana io.Satria tamin’ny lasa dia nandalo fe-potoana iay nandinihany ny tenany izy, dia manomboka mampivelatra ny maha-izy azy ny tenany manokana izy, ary manjary olona manana ny zon’ny tenany manokana.

9

Toetra mampiavaka ny ara-panahy1. Amin’ny taona izay mety hanontaniany ny zavatra rehetra sy hitadiavany porofo

mialohan’ny hanekeny izany.2. Manana fanajana goavana « ny fahaizana vokatry ny fikarohana naharitra » izy

ary matetika no mirona ny handray ho toy ny valinteny ny zavatra izay tazomin’ny olona malaza ho fahamarinana.

3. Manomboka mamolavola ny idealiny izy, ary manao drafitra mazava tsara ny fomba hahatratrarana azy.

Toetra mampiavaka ny ara-batana1. Ny fivelarana eo amin’ny lafiny ara-pananahana, hery manosika iray izay tokony

holanjalanjaina mialoha.2. 85 isan-jaton’ny halava sy halehiben’ny olon-dehibe.3. Mihamivelatra ny hozatra ary tiany ny fandaharan’asa mikolokolo ny ara-batana.

Toetra mampiavaka ny ara-piaraha-monina1. Tiany ireo antokon’olona mitovy firehana aminy ary tiany ny hodidinin’ireo

namany manokana.2. Tia mitsikera, ary matetika mandratra ny filazany ny heviny mivantana mikasika

ny hafa.3. Mora tohina, ary matetika ni voatariky ny hevitry ny maro, sy izay heveriny tarika

misy azy ho mety hatao. 4. Tena mamatotra mafy ny tanora amin’io taona io ny fitadiavam-bola, ary miteraka

faniriana ny handao ny sekoly.

Toetra mampiavaka ny ara-panahy1. Na izy mandroso amin’ny fanekena ireo soatoavina ara-piaraha-monina sy ara-

panahy hatramin’ny farany na, very ny fahalianany amin’izany noho ireo naman-dratsy.

2. Izay tsy vita tamin’ny fanomezana azy fototra iorenan’ny fomba fisainany dia manjary sarotra ankehitriny ny manao azy.

3. Manomboka ny dingan’ny famaritana ny fomba fijerin’ny tenany manokana mikasika ny fivavahana.

4. Tetik’asa fanompoana mifantoka amin’ny momban’ny fiainana rehetra.

AORIAN’NY TAONAN-JATOVO (18-24)

Ara-batana dia fotoana fitomboana miadana io ; ireo izay tara tamin’ny fahamatorana dia manatratra ny hafa. Miseho ny maha-izy azy ny olona iray ary manjary mihamafy ny toetra. Miseho amin’izay ankehitriny ny fiarahana amin’antokon’olona, tsy andiany toy ny tamin’ny taonan-jatovo fa fikambanana, ara-piaraha-monina na ara-pivavahana toy ny fiangonana. Na inona na inona fisalasalana nisy mifandraika tamin’ny fivavahana dia efa noheverina tsara ary nahitana fototra mahafam-po, na nialana ny fivavahana ho toy ny zava-masin’ny andro taloha, miaraka amin’ny fahadisoam-panantenana vokatry ny tsy nahitana zava-tsoa. Ny fahalianana amin’ny taovam-pananahana dia efa niseho tamin’ny alàlan’ny fitiavana sy ny mariazy; ary ny fanorenan-tokantrano.

FIAINAN-OLONDEHIBE

10

Fahasalamana tsara sy ny fifalian’ny miaina no mampiavaka ny fiandohan’ny fiainan’ny olon-dehibe. Misy raharaha tena manan-danja dia ny fanabeazana ny fianakaviana, tolona ho amin’ny faneken’ny fiaraha-monina, ny faniriana mafy ny antoka ara-pihariana.

Misy faniriana ho ny andraikitra mitombo ho amin’ny fieritreretana mialoha ny asa mitera-bokatsoa, ary ny fifalian’ny fanantanterahana zavatra lehibe kokoa. Maro ireo izay voatariky ny faniriana tafahoatra ny hikatsaka fahefana sy fanapahana eo amin’ ireo namany.Miankina amin’ny fanofanana taloha ny fiainana ara-pivavahana, na fanompoana mahatoky sy mendrika na tsy firaihana, miaraka amin’ny fifidiana fialan-tsasatra ho an’ny tena manokana.

Manomboka betsaka ny fahasimban’ny fahasalamana hita eny antenantenan’ny fahalebiazana. Mitombo ny ahiahy sy ny tebiteby, angamba nohon’ny andraikitra goavana na nohon’ny tahotra ny ho very asa. Maro amin’ireo olon-dehibe no very fanantenana noho ireo fikasana tsy tanteraka, ary mahita fa tara loatra ka tsy afaka manao na inona na inona mikasika izany, mampitodika ny sainy hiala amin’ny tenany sy ny fiainana fa efa mieritreritra mialoha izay ho vitan’ny zanany. Etsy an-daniny ny sasany izay niadana kokoa teo amin’ny lafiny fahamatorana dia vao manomboka « mahita » ny tenany. Tsy miankina amin’ny lasa ny fahombiazany fa amin’ny ho avy.

Maro ny fianarana natao nandinihana ny mikasika ny karazana toetra hita eo amin’ny olombelona Ezaka maro samihafa no natao mba hanasokajiana izany ao amin’ny antoko iray azo fantarina. Ny ezaka iray malaza dia fantatra amin’ny fitsapana fanasokajiana ny toerana misy ny olona iray amina fifangaroana zavatra efatra: Foizina, mafana rà, tsy rototra, ary malahelohelo. Na iza na iza olona izay maniry ny ho mpitarika miasa ao anaty na vondron’olondehibe an-tsitra-po dia tokony hanao ny iray amin’ireo fitsapana ireo, ary hanasa ny hafa hanao toy izany koa mba hahafantarana tsaratsara kokoa ny tanjaka na fahelemen’ny tenany sy ny hahafantarana tsaratsara kokoa ny hoe avy aiza ny hafa eo amin’ny fifandraisana mampandeha ny asan’izy ireo.

MAHAFANTATRA NY FIHETSEHAM-PO

Ny olombelona rehetra dia mikatsaka fankasitrahana, fanekena, fitiavana, fahatanterahana, fanandramana vaovao, ary fandriam-pahalemana. Ny fitadiavana an’izany sy ny vokatry ny fahitana na tsia azy ireo dia miseho eo amin’ny fihetseham-po. Efa niditra teo amin’ny antony mahatonga ny olona hanao izany isika dia hitodika amin’ny fihetseham-po ankehitriny ary hianatra ny zavatra tsapany. Misy karazany maro ny fihetseham-po; ireo tena lehibe indrindra no hofakafakaintsika; kanefa izy rehetra dia tena manana ny lanjany lehiba tokoa satria izy ireo no hery manosika izay miteraka ny safidy hatao, ny asa ho tanterahana, ny fanompoana ho atao. Tena mora ny mino zavatra, kanefa rehefa tsapan’ny olona iray lalina ny faharesen-dahatra ananany dia voatarika hanao zavatra mikasika izany izy ireo.

FankahalanaMety hisy fitsiriritana, fialonana, fitiavan-tena, hevitra mibahana mialoha ao

an-tsaina, tahotra, fahadisoana hiaretana, na fahatsapana sakana ao ambadiky ny fankahalana. Ny fihetseham-po ratsy sy mahery setra no mitarika faniriana hamono, ary ho ataony tokoa izany raha tsy voasakan’ny tahotry ny vokany.

TahotraMety ho avy amin’ny fiahiahiana ny fiarovana ananan’ny anankiray, na

fahasambaran’ny hafa. Mety misy tahotra ny ho very fahsalamana, vola, laza, fanahy, na zavatra madinika maro samihafa.Mety ho zavatra tsara izany, rahatoa ka tsy avela ho lasa zava-tsarotra izay mety hisy vokany tsy ahafahana mihetsika eo amin’ny saina sy ny vatana.

11

Nisy fiantraikany mahatahotra mandrakariva teo amin’ny olona ny tahotra ny zavatra tsy fantatra. Tamin’ireo tsy nahita fianarana dia lasa finoanoam-poana izany ary mety hanana vokany mahatsiravia. Tamin’ireo nahita fianarana dia nisy fironana ny handeha moramora na nisakana tanteraka ny fihetsehana. Tanora iray manana ny maha-izy azy, izay zatra ny mifanerasera aman’olona eo amin’ny fandraharahana, dia nanjary mpitarika kilasina tanora manambady ary nandeha nivoaka hamangy. Tena natahotra mafy izy, ary raha nanao izany izy dia « hoatran’ny maily iray ny elanelana avy eo amin’ny fiara mankeny amin’ny varavarana. » Nahoana? Ny tahotra ny zavatra tsy fantatra. Karazan’olona manao ahoana no ao ambadik’io varavarana io? Moa ho tsara fanahy aminy ve sa tsy ho tia ny famangiany? Kanefa taorian’ny namohan’izy ireo ny varavarana sy ny nampandrosoany azy dia faly izy satria nisedra ny tsy fantatra.

FahatezeranaMatetika ny fahatezerana dia avy amin’ny:a. alahelo nohon’ny tsy fahafahana hanao zavatra iray, tsy fanana izay hananan’ny

hafa, tsy mahazo izay ilaina, na tsy fankatoavana ny baikon’ny olona iray.b. Fangirifiriana izay mitombo nohon’’ny faharatsian’ny toe-pahasalamana;c. Fiezahana ny hanarona ny fahatsapan-tena ho ambany, alahelo, na faharesena;d. fahasosorana ara-drariny, avy amin’ny fahatsapana fa nisy zavatra tsy rariny

natao.Tsy zavatra tsara ny mahita ny fahatezerana mahazo lalana, tsy mariky ny

fahatanjahana ihany koa. Hoy Solomona:  « Be saina ny mahatsindry fo; fa ny malaky tezitra mampiseho ny hadalany » ary koa «  Tsara ny mahatsindry fo nohon’ny mahery, ary izay mahazaka ny fanahiny noho izay mahafa-bohitra. » (Ohab 14 : 29 ; 16 :32).Fifaliana

Ny fahafinaretana dia fanandramana mandalo izay tonga dia lasa miaraka amin’ireo avatra miovaova eo amin’ny fanandraman’ny olombelona, kanefa ny fifaliana dia toetra tsara mitoetra eo amin’ny fiainana. Nanana fifaliana i Jesosy ary nihevitra ny hananan’ny Mpianany izany ihany koa. « Izany zavatra iany dia efa nolazaiko taminareo, mba ho ao aminareo ny fifaliako ka ho tanteraka ny fifalianareo. »Jao15 :11 ary nangataka ny Ray mba hahatonga an’izany.Alahelo

Mety ho avy amin’ny fahatsapan-tena ho menatra nohon’ny zavatra tsy mety natao, fahavoazana izay nitranga tamin’ny tena na ny hafa, na fahalasanan’ny olon-tiana nohon’ny fahafatesana. Manana Mpampionona ny kristiana ao amin’ny fanahy masina, izay manampy azy ireo handresy ireo zava-dratsin’ny fiainana ary hanamaivana ny alahelony amin’ny alalan’ny fanantenana izay hita ao amin’ny Kristy. Matetika ny tsy mpivavaka safotry ny fahoriana ary miondrika eo ambanin’ny enta-mavesatra izay tsy niomanany ny hitondra azy.Fialonana

Mety ho vokatry ny fitiavan-tena, izay mahatonga ny olona iray hitsiriritra ny talenta na fahombiazan’ny hafa.Ao an-tokantrano dia avy amin’ny tsy fahatokiana , tsy finoana, na hadalana.Miaraka amin’izany ny tahotra ny hahalasa ny anankiray izay manana ny lanjany ho an’ny olona hialonana. Mikolokolo fiahiahiana ny fialonana, ary mihazona ilay olona ho faran’izay ratsy fanahy.  Mety hitarika mora foana any amin’ny fankahalana izany ary any amin’ny famonoana olona.Fihomezana

Avy amin’ny toe-tsaina mora mandray na mahita izay mampihomehy amin’ny lafin-javatra rehetra. Sambatra ny tarika manana olona tahaka izany izay manapaka ny fihenjanana amin’ny fahaizana manao hatsikana hahatonga ny olona hihomehy. Sambatra ny olona anankiray izay afaka mihomehy eo anivon’ny zava-tsarotry ny fiainana, ary tsy manaiky ny ho potehan’ny fanahiana ny amin’izay tsy misy azony atao.

12

« Ireo izay mampalemy na manapotika ny maha-izy azy ny olona iray dia mandray andraikitra izay tsy hiteraka afa-tsy zava-dratsy. » Education P.288.

Ny ankizy tsirairay dia mivelatra tsy mijanona amin’ny fomba izay mampiavaka azy manokana.Raha te-hahavita zavatra ny mpitarika anankiray dia tsy maintsy mahafantatra ny toetra mampiavaka ny ankizy tsirairay, ny maha-liana azy, ny fahafaha-mananao ananany, ny namanay ary ny faniriany. Afaka manao zavatra mahagaga izy amin’izany fahalalana sy fahafantarana izany! Afaka hitondra an’i Maria hiala amin’ny fahasarotan-kenatra ho any amin’ny fahaiza-mitarika izay tsy hita teo aloha, hanova an’i Jakoba hiala amin’ny fikomiana ho tonga mpanampy na hanome torolàlana sy fanentanana an’i Hery ka hahatonga azy any aoriana ho lo-malaza eo amin’ny fiaraha-monina ary ho feno fankasitrahana ireo mpitarika azy.

Nanoratra ny tanora iray fa:  « tsy tian’i ankizy ny ho lambolamboina, ny hitana toerana, ny ho enta-mavesatra, ny hiandraiketana fa ny hanana ny mahaizy azy manokana. » Ary lasa miteny mihintsy ary izy fa ny ankizy dia heverin’ny olon-dehibe maro ho ankizy fotsiny ihany,ary tsy misy dikany mihintsy izay lazainy sy eritreretiny na ny ataony. Heverina ho toy ny ankizy milalao eo an-tokotany ka azo tapahina amin’ny haitraitran’ny olon-dehibe haka na hanatitra ny verany fotsiny ihany.

Mifanaraka amin’izany filàna izany ny mpitarika mahomby dia hahita fihetsiketsehana anankiray na maromaro izay hiantsoana ny mpikambana tsirairay ao amin’ny tarika. Hanoritra ny làlana ho an’ny ankizy ary hameno ny efi-tranao amin’ny vato, hampaniry zavatra na inona na inona mba ahafahana mikarakara izay ilain’ny tsirairay ao amin’ny tarika misy azy.

FANEKEN’NY FIARAHA-MONINANy mpahay ny lafiny ara-tsaina dia miaiky fa iray amin’ny heery manosika matanjaka

indrindra izay hamaritanany maha-izy azy na ny fitondran-tena ny faneken’ny fiaraha-monina. Ny olona tsirairay dia maniry mafy ny hoheverina ho toy ny olona ara-dalàna ka heken’ny iray tarika mitovy aminy. Tsapany ho zava-mahatahotra izany ho lavin’ny fiaraha-monina ary vitsy no manana risi-po hiatrika an’izana.

Indraindray ny R ay aman-dreny, ny mpampianatra, ny mpitarika tanora mangataka ny ankizy na ny tanora mba hanao fitafiana na zavatra atao amin’ny fomba izay toa ahazoan’izy ireo ny tsy fankasitrahan’ny tarika mitovy aminy. Raha tena iriny ny fankasitrahana sy ny fiarahana amin’ny olon-dehibe, dia indraindray mahalana no hividianany an’izany amin’ny tsy fankasitrahan’ireo tarika misy azy, ka hanjary ho tapaka ny fifandraisany amin’ny fiaraha-monina misy azy. Noho izany, tena zava-dehibe no aneken’ny mpikambana rehetra ao amin’ny tarika ny fitondrantena izay ankasitrahan’ny ampahan’ny mpikambana.

FANIRIANA FANANDRAMANA VAOVAOTafiditra ao anatin’izany ny fahalianana- ny fikarohana zava-baovavao; fahalianana

amin’ny zavatra hafahafa, ny vaovao, ny tsy mahazatra. Ny zavatra tsy ampoizina no hikolokoloana an’izany,ny fiovana, ny fiovana ,ny fiovana !Tsy ela dia vizana amin’ny zavatra efa mahazatra ny ankizy-afaka manaraka izany ao anatin’ny fotoana fohy ihany izy, tsy hay tohaina ny faniriana zava-baovao. Mifanaraka amin’izany faniriana matanjaka izany ny mpitarika mahomby dia hamolavola fandaharan’asa izay manaitaitra, miovaova ary mampientanentana.

MAMPIVELATRA NY FAHAZARANA Tamin’ny fotoana iray na fotoana hafa dia efa teo amina tarika anankiray izay nilaza

hoe hianao: « Tsy azoko mihintsy ny hanaovan’i Bill tahak’izao. » Avy eo dia nisy hafa namaly, « Fahazarana io; manao izany tsy ami-pheverana foana izy. »Misy ny fironana hanao zavatra iray vokatry ny toetra vitananahary, ny fahazarana kosa dia azo. Ny famerimberenana no nametraka azy mandra-pahatonga izany ho mandeha ho azy.

13

Na inona na inona zavatra hita ,re, na sainina (ny mpanaitra), ny retsi-kozatra dia mankany amin’ny retsi-pandre any amin’ny ati-doha, izay hampifandraisana amin’ny hozatra miteraka hery ary ny vokany dia zavatra manokana atao (ny valiny).Raha vao manao zavatra iray dia efa misy « làlana » mipetraka izay mety handalovan’ny retsi-kozatra mitovy. Ny famerimberenana no mahatonga izany ho mora ny manao azy. Marina izany na inona na inona karazana fahazarana. Mitovy ny fiorenan’ny fahazarana tsara sy ny fahazarana ratsy, ary rehefa tafapetraka dia sarotra ny manapaka azy.Miankina amin’javatra maro ny mety hahatonga izany ho asa.

1. Ny fiverimberenany. Ny asa tsirairay dia manjary moramora kokoa ny mamerina azy.

2. Ny fotoana nisehoany. Raha natao isan’andro, dia mora mora kokoa ny hahatonga azy ho fahazarana nohon’ny zavatra tsy hatao afa-tsy isan-kerinandro.

3. Ny fahamafisany. Moa feno fihetseham-po ve? Nisy zavatra lalina tsapa ve? Raha izany, ho mora kokoa ny hamerina azy.

4. Ny fahafaham-po. Moramora kokoa ny mamerina zavatra tiana sy nankafizina nohon’ny zavatra tsy mahafinaritra.

Raha misy olona iray manana fotoana raikitra isan’andro hamakiana soratra masina, tsy ela dia ho lasa fahazarana izany. Toa tsy feno ny tontoloandro raha toa ka hadino izany nohon’ny antony maro samihafa. Raha vakiana indray mandeha isan-kerinandro fotsiny ny baiboly, ny elanelam-potoana dia mampangatsiaka ny « làlana » ary tsy mora ny hahatonga azy ho fahazarana. Raha atao amim-pahamatorana tsara ny fotoana fandinihan-tena isan’andro, mba hahatsapan’ny tsirairay fa miteny aminy Andriamanitra fa tsy hoe mba ahafahana manao tatitra any amin’ny mpampianatra fotsiny any an-dakilasy dia mety hitohy ny zavatra tsapa vokatr’izany.

Farany, raha misy zavatra nahafinaritra sy hita ho nahasoa,dia manjary mora ny famerenana azy . Ohatra, raha misy olona iray sahiran-kevitra ny amin’izay zavatra marina na diso, izay ampianarin’ny Baiboly mikasika ny fanambadiana sy ny tokantrano, ny vokatra mety ho azo amin’ny fivavahana, na ny tsy maintsy ho ataon’ny olona mba hovonjena izy. Na tahaka ny ahoana moa ny lanitra, mety hitodika hamaky ny Baiboly amin-kafanam-po izy ; Kanefa mety hanjary ho sorena amin’ny famakiana ny Eksodosy izy na ho voarebirebin’ny soratra ara-paminaniana ary hanapa-kevitra ny hijanona amin’ny famakian-teny.

Mba hanapotehana ny fahazaran-dratsy, dia ilaina ny mampifamadika ny ambaratongam-panaovan-javatra. Raha tsy potika tanteraka indray mandeha vokatry ny herin’ny sitra-po dia tsy maintsy hametrahana fotoana bebe kokoa eo anelanelan’ny zava-mitranga, mba hamelana ny fifandraisana misy eo anelanelan’ny mpanaitra sy ny valiny hihamalefaka. Tsy maintsy misy faniriana fatratra ny hanapaka ny fahazaran-dratsy. Rehefa misy hadisoana kely natao, dia tsy maintsy mitondra fanenenana sy mitarika ho amin’ny fibebahana sy fiaiken-keloka mba hanesorana ny vokatry ny henatra toy yzay hanana fahafaham-po izay ho entin’ny fahazarana indray mandeha. Misy olona sasany mahita ho fihaikana ny filalaovana ny lalao amin’ny tenany, manamarika ny androm-pandresena tsirairay eo amin’ny diary.

FITSIPIKY NY FAMPIVELARANA TOETRA« Ny fanorenan-toetra no asa faran’izay manan-danja indrndra nankinina tamin’ny olombelona.» Education P.225« Ny Toetra dia ny fitambaran’ny maha-izy azy manontolo ao anatin’ny olona anankiray izay asehon’ny fitondrantenany.»-- McKown

Raha tsy mahitsy izany fitsipi-pitondrantena izany dia toetra tsy maha-te-ho tia no ho vokany; fa raha mahitsy dia toe-panahy araka an’Andriamanitra no miforona. Ny didy folon’Andriamanitra no Fenitra ho tratrarina tsy miova. Io fitsipi-piainana io no mamolavola

14

ny fitsipi-pitondrantenan’ny tsirairay, na ny idealiny. Ny idealy tsirairay dia tsy maintsy ho tena matanjaka tsara mba ho fiarovana ny fandikana izany. Ohatra, ho voaaro amin’ny fahalotoana isika nohon’ny herin’ny idealy ananantsika.

( Ny Idealin’i Josefa,niampy ny fiankinany tamin’Andriamanitra no niaro azy tsy hanao zavatra maloto tamin’ny vadin’ny Potifara.)

NY TOETRA DIA MIVELATRA AMIN’NY ALALAN’NY: 

Fanandraman’ny tena manokana izay mitarika fitondrantena mety na tsy mety.

Tafiditra ao anatin’izany ny fanandramana nataon’ny hafa izay hahitan’ilay olona iray ny tenany ao ny toetra ao amin’ny tantara na resaka, na asa izay toy ny toetrany. Ny fanandramana - na nataon’ny tenany na nataon’ny hafa- dia tsy hiteraka fanorenana toetra raha tsy misafidy ny toerana misy azy izy, mandray fanapahan-kevitra, ary mitsara izy na mety na tsia ny ataon’ny olona hafa, na «  mirotsaka an-tsehatra » amin’ny fomba hafa. Rehefa ny olona anankiray no maka ny toetra ao amin’ny tantara ho resaka ara-pitondrantena dia mazava ho azy fa maka an’izany ho an’ny tenany izy.Tsy hisy vokany ny fampivelarana ny toetra raha tsy mitarika soatoavina mety na tsy mety ny fanandramana. Ohatra, ny fanapahan-kevitra ny hanao kirarao mainty na volon-takatra dia tsy misy soatoavina hita ao anatin’izany, kanefa ny hafetsena hatao any amin’ny fanadinana na kilalao , ny tsy fanajana ny toeram-pivavahana, sy ny fanarontsaronana ny marina eo amin’ny resaka dia misy hidiran’ny hoe mety na tsy mety ary tena misy fiantraikany amin’ny toetra.

Ny fanandramana tsirairay avy ka miresaka ny momban’ny soatoavina dia misy fiantraikany eo amin’ny toetra, na kely ilay fanandramana na lehibe, na tsy misy dikany na manan-danja. Tsy misy fanavahana mihintsy. Zatra miteny toy izao i Rip Van Winkle rehefa alaim-panahy hisotro : « Iray vera fotsiny. Tsy hisy dikany izany amin’ity indray mandeha ity. » Kanefa nisy dikany tokoa, ary dia toy izany ihany koa ho an’ny olona rehetra.

Handresy lahatra ny olona tsirairay hanome lanja ireo lafin-toetra tsara Tsy hanao ezaka hampivelarana toetra iray mihintsy ny olona anankiray mandram-

pahitany ny tombam-bidin’iny lafin-toetra iny. Indray mandeha nisy tovolahy anankiray ren’ny mpampianatra azy nirehareha ny amin’ny fomba ahazoany vola laniany. Omen’ny Ray aman-dreniny saran-dalana feno izy nony feno 12 taona, kanefa nolazainy amin’ny mpamily fa 11 taona izy, ary mahazo ny antsasaky ny saran-dàlana isaky ny maraina sy ny hariva. Omeny tombam-bidy mihoatra ny fahatokiana amin’ny lafiny ara-bola ny vola amboniny azony. Fantatry ny mpampianatra fa hanao toy izany foana izy mandra-piovan’ny fomba fijeriny ny tombam-bidy. Rehefa manana faniriana matanjaka ny hanana lafin-toetra tsara ny olona iray dia manjary idealiny izany.

Tsy maintsy manome tombam-bidy ny lafin-toetra ny olona tsirairay. Tsy ampy ny soatoavina apetraky ny mpampianatra, ray aman-dreny, sy ny olon-kafa. Tahaka ny vaksiny ao anaty tavoahangy ny lafin-toetra tsara, tsy mahasoa ny olona anankiray raha tsy raisiny sy ampiasainy ho anisan’ny tenany. Ny fitsipi-pitondrantena dia volavolain’ny vondron-kevitra izay nofinidy manokana. Fa tsy teren’ny olon-dehibe amin’izy ireo.Ny tena asan’ny mpitarika eo amin’ny famolavolana toetra dia ny fanehoana lafin-toetra amin’ny fomba iay ahitan’ny tsirairay ny tombam-idiny, hanaiky izany, ary hampivelatra azy. Ny fomba tsara indrindra hanaovana izany dia ny tantara, fanehoana an-tsary, mamorona fomba vaovao izay hanamafisana ny fifehezan-tena anaty, fa tsy amin’ny alàlan’ny resa-be na fitsikerana, fandevilevena na fanasaziana ara-batana. Asehoy azy fa tsaratsara kokoa ny mahatoky, madio, sns. Hitondra fiainana mahafinaritra sy mahafam-po kokoa ary feno fahombiazana.

Misafidy sy miasa eo amin’ny lafin-toetra manokana iray amin’ny fotoana iray.

15

Ny antso fananarana amin’ny fitondran-tena irina atao amin’ny ankapobeny dia tsy hisy vokany arak’izay irina.  « Aoka ho tsara fanahy », « Ampiharo ny lalàna volamena », « ny fahatokiana no fitsipika tsara indrindra. » Toy izany koa, ny lafin-toetra toy ny hoe « fahatokiana » sy ny « fanajana » dia mivelatra be .Tsy maintsy maneho fahatokiana amin’ny toe-javatra maro na fotoana maro ny olona anankiray mialohan’ny hilazany fa manana ny lafin-toetra fahatokiana ( fahatokiana amin’ny ara-bola, ara-potoana, amin’ny lazan’ny olona sasany, sns .).

Tsy tokony hoe manokana fotsiny ny lafin-toetra fa tokony hosafidiana hifanaraka amin’ny taona, ambaratongam-pivelarana, ary izay ilain ‘ny tsirairay mpikambana ao amin’ny tarika. Ny fotoana tsara indrindra hampivelarana lafin-toetra iray eo amin’ny olona iray dia amin’ny fotoana voalohany nampisy dikany izany lafin-toetra izany aminy. Io no fotoana volamena azo hararaotina, ary tena kely dia kely ny mety hivelaran’izany any aoriana!Samihafa tanteraka ny antony anaovan’ny olona tsirairay zavatra. Ohatra, mangalatra fiara ny andian-jatovo iray. i Bob, mpiahazakazaka dia mba anehoany ny hery sy fahasahiana ; i Jim kosa dia olona mahafinaritra saingy mora voataonan’ny fitiavan-daza ; i Bill be hahambo sy tia tena. Inona no hataonao amin’ny tovolahy iray mangalatra? Tsy misy na dia valiny anankiray aza. Ataovy izay takian’ny filàn’ny tovolahy tsirairay.

Tazony ao an-tsaina hatramin’ny farany ny lafin-toetra iray nokolokoloina

Azontsika atao izany amin’ny fisafidianantsika ny fitaovana ho ampiasaintsika, sy ny fomba hampiasantsika ireo fitaovana ireo. Ny tantara sasantsasany, andalana ao amin’ny Baiboly, na toriteny dia misy lafin-toetra maro, toy ny tantaran’ny Josefa, ny tantaran’ny Mosesy, Ny toriteny tao an-tendrombohitra, Sambatra, sns. Farito ny tantara, resaka, na toriteny ho amina lafin-toetra anankiray izay hampivelarina amin’io fotoana io, ary hodio tsy hita ireo toetra irina hafa ao amin’io tantara na andalan-tsoratra masina io.Tsarovy fa ny fianarana dia nanaporofo fa ny fahalàlana amin’ny ankapobeny ny Baiboly eo amin’ny olona iray dia tsy voatery hisy fiantraikany eo amin’ny toetrany, na dia ireo ampahany atao tsianjery aza.

Ny fanandramana miverimberina eo amin’ny toe-javatra samihafa mandritra ny fe-potoana lavalava.

Tsy mivelatra amin’ny fomba indray mipoaka ny lafin-toetra iray, fa mandeha miandalana, mandritra ny fe-potoana lavalava, sy ao anatina toe-javatra maromaro. Fa asa mandritra ny andro fito ao amin’ny herinandro andraisan’ireo rehetra manana andraikitra amin’ny ankizy: Ray aman-dreny, mpampianatra, mpampianatra sekoly sabata, mpitarika tanora, ary ny mpikambana miara-mitantana ny fikambanana mpisava làlana.Faranymamboatra toe-tsaina mankany amin’ilay lafin-toetra ny ankizy Raha nahomby isika dia toe-tsaina tsara no miforona.

Tafiditra ao amin’ny fitsipi-pitondrantenany illay lafin-toetra, eo amin’ny idealy izay apetrany, eo amin’ny toetrany. Raha sy rehefa vita izany, dia tratra ny tanjon’ny fandaharan’asa manontolo, mifaly ny rehetra ary anisan’izany ny anjelin’ny lanitra.

16

FANDAMINANA

Ny fikambanana mpisavalàlana dia fandaharan’asa maneran-tany karakaraina sy tarihan’ny Departemantan’ny Tanora ao amin’ny Foibe Maneran-tany ny Fiangonana Advantista mitandrina ny Andro Fahafito. Manolotra fandaharana fianarana fanandramana mivelatra ho an’ny tanora 10 ka hatramin’ny 15 taona ary tanterahan’ny Fiangonana Advantista eo an-toerana eo ambany fitarihana sy fanaraha-mason’ny Talen’ny Departemantan’ny Tanoran’ny Federasiona eo an-toerana.

Ny fikambanan’ny mpisavalàlana tsirairay dia eo ambany fitantanan’ny talen’ny

fikambanana, ny tale lefitra, ny mpanolo-tsaina, Mpiahy ara-panahy, mpitan-tsoratra, sy mpitahiry vola.

Mizarazara ho sokajy maromaro ny fikambanana, ny sokajy tsirairay dia misy mpisavalàlana 6 ka hatramin’ny 8, ao anatin’izany ny filohan-tsokajy (kapiteny) sy ny mpitantsoratra.

Eo noahitana ny antony telozoro mivadika ampiasaina ho marika famantarana ny mpisavalàlana sy ho valin’ny antony menamena eo amin’ny sisiny foloara ho an’ny Filoha mpitarika ary ny randrana menamena eo amin’ny sorony havia any amin’ny faritra sasany na satroka kely(beret) menamena. Mino isika fa ny mpitarika dia mpanompo arak’izay hampianarin’ny Kristy.Mametraka tombam-bidy sy lanja betsaka eo amin ‘ny mpisavalàlana izay hiezahantsika ny hampiavaka ny fiainany ary arakakaraky ny hidinantsika ny tsipiky ny tombam-bidy no hitomboan’ny havesatry ny andraikitra sy ny fandavan-tena.

Manana saina ny mpisavalàlana, mitondra ny marika famantarana ny mpisavalàlana. Ahofahofa ny saina mandritra ny fandaharan’asa sy fihetsiketsehana ataon’ny eo an-toerana na ny federasiona. Misy ihany koa fanamiana manokana natao ho an’ny fotoana manokana sy ny eny an-tsaha.

17

Fandaminana ao amin’ny mpisavalàlana

Mpikambana ao amin’ny fikambananaMpanolo-tsaina sy mpampianatra

Tale lefitra sy staff mpanohana hafaTalen’ny fikambananaKomitin’ny fiangonana

Mpandrindra ny faritra (cz)Talen’ny mpisavalàlana ao amin’ny

federasionaTalen’ny mpisavalàlana ao amin’ny

fivondronam-beTalen’ny mpisavalàlana ao amin’ny Diviziona

Talen’ny mpisavalàlana ao amin’ny foibe maneran-tany

Manana ny voadiny sy ny lalànany ny mpisavalàlana, manindry mafy ny fototra ara-panahy ijoroan’ny fikambanana.

Miasa_________volana ao anatin’ny taona,ary fandaharan’asa_________, farafahakeliny maharitra____ora. Ao anatin’io fe-potoana______ora io no anatanterahana fanazaran-ten sy fitsangatsanganana, fahaiza-manao sy/na fialam-boly sy kilalao, ary ny fihetsiketsehana fandinihan-tena sy fivavahana ary kilasim-pandrosoana.

Misy kilasy enina, samy manana ny anarany, iay manomboka amin’ny fahafolotaona ary mifarana amin’ny fahadimiambinifolo taona. Ny kilasy tsirairay dia aseho amin’ny loko nofidiana arak’izay eto ambany.

Sakaiza 10 taona MangaNamana 11 taona MenaMpanazava 12 taona MaintsoMpamaky lay 13 taona MaintyMpandeha lavitra 14 taona GrenàMpitarika 15 taona Mivolom-bolamena

Rehefa mahatanteraka izay takian’ny kilasim-pandrosoana, ny mpisavalàlana dia

mahazo ny famantarana ny mari-pandrosoana, pin, kilasim-pandrosoana apetaka eo amin’ny paosy, chevron amin’ny fotoana manokana fametrahana an’izany (investiture)

VOADY, LALANA SY NY MARIKA FAMANTARANA NY MPISAVA LALANA

VOADY

Nohon’ny fahasoavan’AndriamanitraRehefa miankina amin’Andriamanitra ihany isika vao afaka hanao ny sitrapony.

Sitrako ho toetrako ny ho madioHofenoiko zavatra marina sy tsara ny saiko ary fihetsiketsehana izay hahamatotra sy hampadio ny toetrako no handaniako ny fotoanako.

Ho maha-te-ho tiaTsy hohataoko ambanin-javatra ny fanehoana hatsaram-panahy tsy amin’ny olona ihany, fa amin’ny zavaboarin’Andriamanitra rehetra koa.

Ho mahatoky ahoHanao zavatra tsara mandrakariva aho na eo am-pianarana, na rehefa miasa, na rehefa milalao ary ho azo itokiana fa hanao izay tratry ny heriko lalandava aho amin’izany.

Hitandrina ny Lalàn’ny mpisavalàlana aoHiezaka hahazo ny hevitry ny lalàn’ny mpisavalàlana aho ka hiezaka hiaina araka izany foto-pisainana izany, no ny fahatsapako fa ny fankatoavana ny lalàna iray dia zava-dehibe tokoa eo amin’ny fikambanana iray.

18

Ho mpanompon ‘Andriamanitra aho Mivoady aho ny hanompo an’Andriamanitra voalohany indrindra ka hatramin’ny farany ary hanao izay tsara indrindra amin’ny zavatra rehetra iantsoana ahy.

Ho sakaizan’ny olona rehetra ahoNy fiainako dia ho fitahiana ho an’ny hafa ary tahaka izay iriko hataony amiko no hataoka aminy koa.

LALANA

Mandinika ny fiambenana marainaHivavaka sy handinika ny baiboly samirery isan’andro aho

Manao izay anjara asako am-pahatokianaNohon’ny herin’Andriamanitra dia hanampy ny hafa aho, ary hanao ny adidiko sy ny anjarako amim-pahatokiana, n’aiza n’aiza misy ahy.

Mitandrina sy mikarakara ny vatakoHahalala onony amin’ny zavatra rehetra aho ary hiezaka ny hahatratra Ny fenitra avo hahatomady ny vatana.

Mijery manatrika izay manoloana ahyTsy handainga aho, na hofetsifetsy, na hamitaka, hataoka tsinontsinoa ny resaka maloto na eritreri-dratsy.

Mahalala fomba sy mankatoHo tsara fanahy sy hihevitra ny hafa aho, hitaratra ny fitiavan’i Jesosy amin’izay rehetra hifaneraserako amin’ny hafa.

Mamindra moramora ao am-piangonanaMandritra ny fotoam-pivavahana dia haneho fanajana izay mendrika ny fanatrehan’Andriamanitra manokana aho.

Mihira mandrakariva ao am-poHo sariaka, hijery mandrakariva ny lafin-tsaran-javatra, ary hamela ny hery miasa mangina avy amin’ny fiainako ho toy ny tara-masoandro ho an’ny hafa.

Mikarakara ny momban’ny raharahan’AndriamanitraHo vonona mandrakariva aho ny hizara ny finoako ary hikatsaka izay fomba hanompoako ny hafa tahaka ny nataon’i Jesosy.

NY DIKAN’NY MARIKA FAMANTARANA NY KLIOBA1 .Mena (Sorona)

a. Mampatsiahy antsika an’i kristy. « Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny zanany lahy tokana mba tsy ho very izaretra mino azy fa hanana fiainana mandrakiza.» Jaona3 :16

b. « Atolory ny tenanareo ho fanatitra velona, masina sitrak’Andriamanitra» (Rom12 :1)

2. Telolafy

19

a. Fahafenoan’ny Telo izay iray: Ray, Zanaka, Fanahy Masina.b. Lafiny telo amin’ny fanabeazana:

Ara-tsaina: Fahaiza-manao sy mari-boninahitraAra-batana: Filasiana, tantely miasa, fahasalamana Ara-panahy: Fitoriana amin’ny any ivelany sy ny

fampivelarana ny toe-panahin’ny tena manokana.3.Volamena(ny tsara indrindra) a. « Manoro hevitra anao aho hividy amiko volamena

voadio tamin’ny afo, mba hanan-karena hianao » Apo3 :18

b.Fandrefesana ny marika ho tratrarina. Manana fenitra avo ny fikambanana mpisavalàlana mba hanampy hanorina toetra matanjaka ho amin’ny fanjakan’Andriamanitra.

4.Ampinga a. Ao amin’ny soratra masina dia matetika Andriamanitra no (fiarovana) antsoina ho ampingan’ny Vahoakany « Aza

matahotra…Izaho no ampinganao »Gen15 : 1b.«Ary ho fanampin’izany rehetra izany dia tano ny finoanaho ampinga izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipika rehetra izay alefan’ilay ratsy. » Efes 6 : 16

5.Fotsy a.  « Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa.» (fahadiovana) Apo3 : 5

b . Iriantsika ny hanana ny fahadiovana sy ny fahamarinan’nyfiainan’i Kristy eo amin’ny fiainantsika.

6.Fikambananampisavalàlana Ny fikambanana mpisavalàlana dia iray amin’ireo

fandaminan’ny Departemantan’ny Tanora ny FiangonanaAdvantista mitandrina ny Andro Fahafito.

7. Manga a.Tanjon’ny fikambanana mpisava làlana ny hanampy (Fahatokiana) amin’ny fampianarana antsika ho mahatoky amin’ny:

Andriamanitsika any an-danitra Ny Ray aman-drenintsika Ny Fiangonantsika

b.Ny fahatokiana dia faritana ho toy ny taratry ny toetran’ilaytena Filoha Mpitarika antsika.

8.Sabatra a. Ampiasaina amin’ny ady ny sabatra. Azo mandrakariva(Baiboly) amin’ny fanafihana ny fandresena. Miady amin’ny fahotana

isika ary ny tenin’Andriamanitra no fitaovam-piadiana.c. « Ny tenin’Andriamanitra ho sabatry ny fanahy »Efes6 :17

9.Telozoro a. Ny tombam-bidin’ny zavatra izay nampianarin’ny Jesosymivadika dia mifanohitra amin’izay ampianarin’ny izao tontolo izao.

b. Fandavan-tenan’ny olona iray amin’ny fametrahana izayilain’ny hafa alohan’izay ilain’ny tenany.

20

MANDAMINA NY FIKAMBANANA MPISAVALALANA

MILA HEVITRA AMIN’NY MPITARIKA TANORA AO AMIN’NY FEDERASIONANy talen’ny tanora ao amin’ny Federasiona no tompon’andraikitra amin’ny

fikambanana mpisavalàlana rehetra ao amin’ny Federasiona. Na iza na iza olona ao amin’ny Fiangonana eo an-toerana mahita ny ilàna ny fikambanana mpisavalàlana dia tokony hila hevitra aminy mialohan’ny hanaovana drafitra lavidavitra kokoa.

MIHAONA AMIN’NY PASITORA SY NY MPITARIKA TANORA AO AMIN’NY FEDERASIONA

Tokony hiainga avy any amin’ny fiangonana mankany amin’ny federasiona ny fangatahana ary avy eo tokony handany fotoana miaraka amin’ny pasitora manazava ny asa fanompoana ataon’ny mpisavalàlana sy ny fomba fiasany, milaza ny antsipirian’ny fanampiana izay azon’ny federasiona atao amin’ny fiangonany.Raha tsy afaka ny handamina izany fivoriana izany ny talen’ny tanora ao amin’ny federasiona, dia azony hatao ny manolotra ny andraikitra amin’ny mpandrindra ny faritra.

ASEHOY AMIN’NY KOMITIN’NY FIANGONANA NY DRAFITRA

Ny talen’ny tanora ao amin’ny federasiona dia tokony hangataka ny hihaona amin’ny komitin’ny fiangonana.

Ilaina ny hanomezan’ny komitin’ny fiangonana alàlana ny fandaminana ny fandaharan’asan’ny mpisava làlana. Tokony ho zatra amin’ny tanjona rehetra,ny teti-bola ilaina, ny zava-kendrena sy ny hevitra mikasika ny fandaminana ny mpisavalàlana ny komity, ary ny anjara azony raisina amin’ny fitoriana amin’ny tanora ao anatin’ny fiangonana .Amin’izay fotoana izay ny komitin’ny fiangonana dia tokony hanome ireo taratasy fanadihadiana miaraka amin’ireo antsipirihany manan-danja ho fenoina ary hatolotra ny talen’ny tanora ao amin’ny federasiona, izay hanampy amin’ny fandrafetana fandaminana amin’ny antsipirihany ny fikambanana. Tokony ho hita ao anatin’izany zavatra izany ny anarana sy ny adiresin’ny tanora zandriny rehetra ao amin’ny fiangonana, ny mazoto miasa sy ny tsy marisika; ny anaran’ny mambran’ny sekoly sabata; ny anaran’ny olona voaofana sy ny Filoha Mpitarika; ny anaran’ny olona izay afaka hanampy amin’ny fampianarana; ary koa ny lisitr’ireo toerana fialana voly ao amin’ny faritra.Aorian’io fivoriana io dia tokony ho lazaina amin’ny fiangonana ny faniriana ny hanorina ny fikambanana mpisavalàlana.

ILAZANA NY FIANGONANA MANDRITRA NY FOTOAM-PIVAVAHANA

Tena zava-dehibe tokoa ny ahafantaran’ny mambran’ny fiangonana rehetra mikasika ny fikambanana mpisavalàlana, ny zavatra kendreny sy ny fandaharan’asany. Olona anankiray izay havanana amin’ny fanandramana, hiteny mikasika ny fikambanana sy izay ilain ‘ny tanora zanddriny no tokony hanao ny filazana amin’ny fiangonana manontolo, tsara kokoa raha mandritra ny fotoam-pivavahana sabata. Mety ho ny talen’ny tanora ao amin’ny fivondronam-be , na federasiona, na ny mpandrindra ny faritra, ny pasitoran’ny fiangonana, na olon-kafa mpiasan’ny federasiona izay nasain ‘ny pasitora ho vahiny hitory teny? Amin’izay fotoana izay dia tokony hanao antso ho an’ireo olona liana hanampy sy hanohana ny fikambanana mpisavalàlana.

21

MIANTSOA FIVORIANA MANOKANA NY SABATA FOLAK’ANDRO.

Io fivoriana manokana io dia tokony hampivondronana ireo rehetra mandray anjara amin’ny fandaminana ny fikambanana mpisavalàlana. Asao ny filoha Mpitarika rehetra, ireo ray aman-ddrenin’ny tanora zandriny rehetra, nympampianatra rehetra (na sekolim-piangonana na sekolim-panjakana), ny mpampianatra sekoly sabata rehetra ao amin’ny tanora zandriny, ireo olon-dehibe rehetra izay manana fialam-boly na fahaiza-manao izay hahaliana ny zatovolahy sy vavy, ari ny olona hafa rehetra izay liana amin’ny tanora zanddriny.Mandritra io fivoriana manokana io dia tko,y hohazavaina ny antsipirihan’ny fandaminana mikasika nympisavalàlana. Mpisavalàlana vitsivitsy mpamangy avy any amin’ny fikambanana namana dia afaka mampiseho ny zava-bitany sy ny fanamiana. Tokony hanaovana antso ho an’ireo hirotsaka an-tsitram-po amin’ny fitarihana ireo ao main’ny fikambanana, ary tokony hisy taratasy fanadihadiana tokony halefa

AMPIANARINA NY FOTOTRY NY FITAIZANA NY MPISAVALALANA

Io fanofanana fototra ho an’ny staffn’ny mpisavalàlana izay nosoritana ao araka ny boky tari-dàlana toy izay misy avy any amin’ny foibe maneran-tany (YOU 1170) dia tokony aseho na eo amin’ny fiangonana na akaiky kokoa mba hahatonga ny olona liana ho afaka hamonjy izany. Iray amin’ny fepettra izay hampahomby ny fikamabanana mpisavalàlana dia miankina amin ‘ny isan’ny mpitarika ampy sy voaofana. Ny Talen’ny tanora ao amin’ny federeasiona dia tokony hitarika izany fiofanana izany ary hampiditra mpampianatra betsaka arak’izay azo atao.

MIFIDIANA TALE SY TALE LEFITRA MAROMARO

Amin’ny farany fiofanana ny komitin’ny fiangonana /vaomiera mpanendry dia tokony hahafantatra tsara izay tsara ofana indrindra mba hitarika ny fikambanana mpisavalàlana ary manolotra amin’ny fiangonana ny tale sy ireo tale lefitra.Rehefa voafidin’ny fiangonana ara-dalàna ireo olona ireo, dia azo hajoro ny komity mpanantanteraka ny fikambanana mpisavalàlana.

MISAFIDY MPANOLOTSAINA SY MPAMPIANATRA(Komity mpanatanteraka)

Ireto avy no ao anatin’ny komity mpanatanteraky ny fikambanana mpisavalàlana, ny pasitora, ny filohan’ny tanora zokiny, ny mpitarika na mpampianatra ao amin’ny sekoli-mpiangonana ao amin’ny kilasy ambany, ny tale sy ireo tale lefitra. Ny tale no mpitarika ny fivoriana. Ireo antokon’olona ireo no mametraka ny fitsipika amin’ny ankapobeny momba ny fandehan’ny fikambanana sy mifantina ireo Staff, mpanolo-tsaina, sy ny mpampianatra.

ANTSOY NY KOMITY MPANATANTERAKA NY FIKAMBANANA HAMOLAVOLA FANDAHARAN’ASA MANDRITRA NY TAONA

Efa voaofana ankehitriny ny mpandraharaha sy ny Staff ary mahafantatra tsara ireo fombafomba sy nanapa-kevitra izay modely ho arahiny, ny komity mpiara-mitantana (Staff) dia tokony hanomboka hamolavola ny fandaharan’asany mandritra ny taona. Ny fandahara-potoanan’ireo zavatra atao, ny kilasim-pandrosoana, ny fotoana fivoriana, ireo andro manokana, ireo fandaharan’asan’ny federasiona, fandaharan’asa isam-bolana, ireo tsenaben’ny mpisavalàlana, sy ny camporees dia tokony ho ao anatiny daholo. (Jereo fizarana D)

22

AMBOARY 6 HERINANDRO MIALOHA NY TAKARIVA FISORATANA ANARANA NY FANDAHARAN’ASA

Io no mety ho dingana manan-danja indrindra amin’ny fandaminana manontolo. Ny fanamboarana fandaharan’asa dia famolavolana lavitr’ezaka. Midika izany fa ny zava-kendren’ny klioba mandritra ny volana maromaro na taona dia tokony ho havoitra tsara. Ny fihetsiketsehan’ny fikambanana dia tokony hifanaraka amin’ireo zava-kendrena rehetra ireo. Ny fivoriana dia tokony ho voavolavola amin’ny antsipirihany herinandro maromaro mialoha. Ny fahalalana indray ireo toetra mampiavaka ny tanora zandriny no tokony hitarika ny Staff mba hizarana ny fandaharan’asa mandritra ny taona hotelo na efatra, ary ny tsirairay dia miavaka amin’ny fihetsiketsehana sy ny zavatra kendrena. Ireo fizarana ireo no hanome ny fandaharan’asa mandritra ny taona ho azo amboarina, hamelana ny hevitra vaovao sy ireo zava-dehibe ho ampidirina isaky ny fe-potoana tsirairay.

MANDEFASA TARATASY HO AN’IREO FIANAKAVIANA METY HO MPISAVALALANA 4 HERINANDRO MIALOHAN’NY TAKARIVANA

FISORATANA ANARANA.

Manaova dokam-barotry ny fandaharan’asan’ny mpisavalàlana: 4 herinandro mialoha ny takariva fisoratana anarana: filazana ao am-piangonana. 3 herinandro mialoha ny takariva fisoratana anarana: filazana manintona 2 herinandro mialoha ny takariva fisoratana anarana: fandaharan’asan’ny sekoly

sabatan’ny tanora zandriny. 2 herinandro mialoha ny takariva fisoratana anarana: vani-potoanan’ny asa fitoriana

ataon’ny tena manokana. 2 herinandro mialoha ny takariva fisoratana anarana: taratasy avy amin’ny tale ho

an’ireo ray aman-drenin’izay mety ho mpisavalàlana 1 herinandro mialoha ny takariva fisoratana anarana: taratasiny pasitora ho an’ireo ray

aman-drenin’izay mety ho mpisavalàlana 1 herinandro mialoha ny takariva fisoratana anarana: mandritra ny fanompoam-

pivavahana, tsindriana ny fandajaram-potoana, azo atao ny manasa fikambanana mifanakaiky mba handray anjara

0 herinandro mialoha ny takariva fisoratana anarana: fisoratana anarana

HOFANO SY ASAIVO MANAO FANAMIANA NY STAFF MIALOHA NY TAKARIVA FISORATANA ANARANA

Ny tale, ireo tale lefitra, ireo mpanolo-tsaina, sy ny mpampianatra no mamorona ny Staffn’ny fikambanana. Tokony hisy fotoana maromaro ihany koa izay hiarahan’ny Staff vao noforonina miofana. Amin’izany no hahafantaran’ny olona tsirairay tsara ny adidiny sy ny fahitana amin’ »ny ankapobeny ny fihetsehan’ny fikambanana. Ireo mpikambana amin’ny Staff ireo dia tokony hanana fanamiana ary hametraka ny famantarana mifanaraka amin’izay lazaina amin’ny antsipirihany ao amin’ity fizarana ity. Ho tsara ihany koa raha misy mpisavalàlana efatra manao fanamiana.

23

TAKARIVA FISORATANA ANARANA (Jereo fizarana C)

Programa fitsidihana isan-tokantrano- ny mpanolo-tsaina dia tokony hamangy ny mpisavalàlana tsirairay ao amin’ny sokajiny avy hatrany.

Tena zava-dehibe ho an’ny mpanolo-tsain’ny mpisavalàlana ny mandeha any antranon’ny mpisavalàlana vaovao tsirairay ary hampahafantatra ny tenany amin’ny maha- mpanolo-tsaina an’i _____________(anaran’ilay ankizy) azy.

a. Ataovy raha toa ka tsy feno araka ny tokony ho izy ny taratasy b. Ampatsiahivo ny fianakaviana ny fivorianac. Valio ireo fanontaniana rehetra mikasika ny fanamiana, ny filasiana, ny

programan’ny fikambanana, sns, Mialoha ny handehananao tsindrio tsara fa amin’ny maha-mpanolo-tsaina anao, dia tianao ny hanampy ny ray aman-dreny arak’izay azo atao.

Ny programa fandraisana ho mpikambana (induction) –Iray ka hatramin’ny roa volana aorian’ny takariva fisoratana anarana (jereo fizarana c)

Raha vao manana fanamiana ny mpikambana vaovao ary azo ny karatra maha-mpikambana avy any amin’ny biraon’ny federasiona dia tokony halamina ny Fomba fandraisana ho mpikambana miaraka amin’ny fanatrehan’ny ray aman-dreny sy ny mambran’ny fiangonana rehetra. Fotoana tena manokana izany, ary tokony ho fantatry ny mpisavalàlana ny dikany.

Aseho miaraka amin’ny karatra maha-mpikambana sy ny pasipaoro, omena ny sokajy, ary hampahafantarina ny mpanolo-tsaina ny kilasiny sy ireo mpampianatra azy.

VAHINY TAKARIVA

Ny vahiny takariva amin’ny ankapobeny dia fihetsehana atao amin’ny hariva manodidina ny roa na yelo herinandro mialoha ny takariva fisoratana anarana. Ny mpisavalàlana tsirairay dia mety hanasa iray amin’ireo namany manokana aeo amin’ny fiaraha-monina ho amin’io « vahiny takariva » fivorian’ny mpikambana io. Tokony hifankazatra amin’ny tanora mpamangy tsirairay ny tale. Mandritra ny resaka no tokony hanontanian’ny tale, « tianao ve ny hiaraka aminay ao amin’ny fikambanana mpisavalàlana ». Raha « eny » no valiny dia tokony hamangy ny tokantranony avy hatrany ny herinandro manaraka ary manazava aminy ny fandaharan’asa manontolo, maneho fahavononana ny hiara-miasa amin’ny fianakaviana mikasika ny zavatra tsapany amin’ny alahady na Sabata.

FAHALIANAN’NY FIANGONANA NA NY FIARAHA-MONINA

Rehfa tafajoro ny fikambanan a mpisavalàlana, dia afaka miantso ny ieo liana ao amin’ny fiangonana sy ny fiaraha-monia izay mbola tsy niraika teo aloha. Tokony hinamana amin’ny fianakavian’ny mpisavalàlana rehetra ny tale. Tokony hanampy ihany koa ny fianakavian’ny mpisavalàlana tsirairay hifankazatra amin’ny pasitora. Azo asaina ireo fianakaviana ireo hihaina izay azon’ny fiangonana atolotra azy ireo.Ho afaka mitory amin’izay ankehitriny ny fikambanana mpisavalàlana

FANOMBANANA

Raha vao niasa nandritra ny 10 na 12 herinandro ny fikambanana, ny mpitarika ny tanora ao amin’ny federasiaona , na ny mpandrindra ny faritra raha tsy eo izy, dia tokony ho

24

antsoina hivory hiaraka amin’ny komity mpanantanteraka ny mpisavalàlana mba hanombana ny fikambanana mba ahazoana antoka fa mandeha tsara sy mifandanja ny fihetsehana sy ny fandaharan’asa.

LALAM-PANORENAN’NY FIKAMBANANA MPISAVALALANA

TOKO I ANARANA

Ny programa dia natao voalohany indrindra ho fanompoana amin’ny lafiny manontolo ny tanora 10 ka hatramin’ny 15 taona ao amin’ny fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito, ary tohanan’ny Departemantan’ny Tanora antsoina hoe fikambanana mpisavalàlana.

TOKO II TANJONA

Ny tanjona kendren’ny mpisavalàlana dia:1. Ny hiasa ho amin’ny fanoloran-tenan’ny mpisavalàlana rehetra ho

an’ny Tompo.2. Hanome fandaharan’asa manintona hahavitan-javattra mifototra

amin’ny fiangonana.3. Hahanao izay hahaliana ny ray aman-dreny sy ny tanora zokiny

handray anjara amin’ny fihetsiketsehana karakarain’ny fiangonana ho an’ny tanora.

4. Hamporisika ny mpisavalàlana hikaroka ny hery nomen’Andriamanitra azy hanompoana ny hafa.

5. Handrisika ny fivelarana mirindra ara-batana, ara-piaraha-monina, ara-tsaina sy ny fiainana ara-panahin’ny mpisavalàlana.

6. Hanome toe-javatra azo hararaotina ho amin’ny fampivelarana fahaiza-mitarika.

7. Hanome fankasitrahana ny fitiavan’Andriamanitra amin’ny alàlan’ny fianarana ny zava-boary.

TOKO III FANDAMINANA

Ny talen’ny tanora ao amin’ny federasiona eo an-toerana no talen’ny fihetsehan’ny mpisavalàlana rehetrra atao ao amin’nyfaritry ny federasiona. Tokony ho alaina ny heviny mikasika ny fihetsehana rehetra ataon’ny fikambanana. Rehefa mamolavola fihetsehana goavana dia tokony alaina ny toroheviny ary asaina izy handray anjara. Amin’ny faritra midadasika dia azon’ny federasiona hatao ny manendry mpandrindra ny faritra mba hiasa amin’ny anaran’ny filohan’ny tanora ao amin’ny federasiona izay tompon’andraikitra aminy mivantana.

Ao amin’ny fiangonana eo an-toerana izay misy klioba ho an’ny tanora zandriny sy ny zatovo dia ny tale mpitantana ny mpisavalàlana no miasa ho toy ny mpandrindra sy misolo tena azy ireo eo amin’ny komitin’ny fiangonana.Ny Talen’ny fikambanana dia tokony ho olon-dehibe izay tena liana amin’ny tanora ary mahafantatra amim-pitiavana izay ilain’ny ankizy sy ny tanora. Arak’izay azo hatao, dia tokony ho Filoha mpitarika farafahakeliny ny tale na tsy maintsy nanatrika ny fianarana fanofanana ny Staffn’ny mpisavalàlana. Tokony ho maranitra sy mavitrika ary tsy maintsy mambra manaraka tsara ny fitsipi-piainan’ny fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito. Ny fihetsehan’ny fikambanana rehetra dia tokony ho eo ambany fanaraha-

25

mason’ny talen’ny fikambanana tsirairay, ary tsy mainty hiantsoana, alamina, harindra amin’ny fivorian’ny klioba tsirairay.

TOKO IV FIFIDIANANA IREO MPANDRAHARAHA SY IEO MPIKAMBANA HAFA AO AMIN’NY STAFF

Fizarana 1 Ny mpandraharaha ao amin’ny fikambanana dia tokony hisy ny Tale mpitantana na filoha ankapobeny (amin’izay misy klioban’ny tanora zandriny sy ny zatovo) , Tale na filohan’ny fikambanana, tale na filoha lefitra roa na maromaro, mpitantsoratry ny fikambanana sy ny mpitahiry vola (mety ho andraikitry ny tale lefitra) Ao anatin’ny Staff ihany koa ny mpanolo-tsaina sy ny mpampianatra arak’izay ilaina.

Fizarana 2 Ny Tale mpitantana sy / na talen’ny fikambanana dia tokony ho tendren’ny vaomiera mpanendry ny fiangonana iray na maromaro mpanohana.

Fizarana 3 Ny tale lefitra dia tendren’ny tale ary ankasitrahan’ny komitin’ny fiangonana.

Fizarana 4 Ny mpitantsoratra sy ny mpitahiry vola dia hotendrenn’ny tale ami-pahamalinana, ary ankasitrahan’ny komitin’ny fiangonana.

Fizarana5 Ny mpanolo-tsaina sy ny mpampianatra dia tendrena na soloin’ny talen’ny fikambanana rehefa nidinika tamin’ireo tale lefitra.

Fizarana6 Ny Staffn’ny mpisava làlana dia ireo rehetra voalaza eo ambony ireo.

TOKOV ADIDIN’NY MPANDRAHARAHA SY NY STAFF

Fizarana1 Ny tale mpitantana na filoha ankapobeny: mpandrindra ny fitarihana ny fikambanan’ny tanora zandriny sy ny zatovo. Misolo tena ny fiangonanan eo amin’ny fandaminan’ny mpisavalàlana ary mambran’ny komitin’ny fiangonana. Handrindra ny fihetsehana rehetra ao amin’ny fandaminana ny mpisavalàlana.

Fizarana2 Tale na filoha: Eo mbany fanaraha-masony ny fihetsehana rehetra ataon’ny fikambanana. Tokony ho tendren’ny tale rehefa nidinika tamin’ireo tale lefitra na komity mpanantanteraka ny mpitarika ny fivorian’ny komity rehetra.

Fizarana3 Tale na filoha lefitra: Hanampy ny tale sy mandray an-tanana izany amin’ny tsy maha-eo azy. Azo tendrena ho mpiandraikitra ny : kilasim-pandrosoana, mpitan-tsoratra sy/na mpitahiry vola, lalao, fihetsehana an-dasy, Mari-boninahitra sy asa manavanana, mozika, Fitaovan’ny mpisavalàlana, zava-boary, fiahiana ara-panahy, fitaterana, toe-javatra manokana, toe-javatra indro isam-bolana, sns.

Fizarana4 Mpitan-tsoratra: Handefa isam-bolana ny tatitra any amin’ny biraon’ny federasiona. Tompon’andraikitra amin’ny fifandraisana an-taratasy rehetra ao ami’ny fikambanana.

26

Mandray an-tsoratra ny fivoriana. Tompon’ndraikitry ny firaketana manokana na firaketana zavatra hafa ilaina amin’ny fampandehanana ny fikambanana.

Fizarana5 Mpitahiry vola: Mandray andraikitra ny fandoavana ny fandaniana sy manangona ary mikar kara ny vola miditra rehetra,toy ny latsakemboky ny mpikambana, tetik’asa fanangonam-bola ,sns., manoho tatitra ara-bola araka ny fangatahan’ny mpandrahaharaha mpanantanteraka na ny staff, ary hampita ny kaonty sy ny vola tsy lany rehetra any amin’ny mpandimby azy. Hiasa ami-pirindrana ety dia ety ihany koa amin’ny mpitahiry volan’ny fiangonana, mametraka ny vola rehetra miaraka amin’ny mpitahiry vola ny fiangonana.

Fizarana6 Mpiahy ara-panahy: Mety ho tale lefitra. Hanampy ny tale amin’ny fihazonana ny ara-panahy ho matanjaka ao amin’ny fikambanana, mahafantatra ny fifandraisan’ny mpisavalàlana tsirairay avy amin’andriamanitra, ary hiasa ao amin’ireo komijy mikasika ny fanompoam-pivavahana amin’ny fivorian’ny fikambanana, amin’ny lasy, fitoriana ary ny fifehezana.

TOKO VI IREO KOMITY

Fizarana1 Ireo komity mijoro ao amin’ny fikambanana dia:a. Komity mpandrindra (ho an’ireo fiagonana misy

klioban’ny tanora zandriny sy zatovo)b. Komity mpanantanterakac. Komity mpiara-mitantana (Staff)

Fizarana2 Ny komity mpandrindra dia misy ny tale mpitantana, talen’ny fikambanana, ireo tale lefitra, ny pasitora, ny mpitan-tsoratra, ny mpitahiry vola, ary ny mpiahy ara-panahy. Ny komity, izay ny tale mpitantana no mitarika azy, dia tompon’andraikitra amin’ny fandrindrana ny rafitra sy fihetsehan’ny mpisavalàlana rehetra.

Fizarana3 Ny komity mpanatanteraka dia ahitana ny talen’ny fikambanana, ny tale lefitra, ny pasitora, ny mpitan-tsorata, ny mpitahiry vola, ary ny mpiahy ara-panahy. Ny komity, izay ny tale no mpitarika, dia tompon’andraikitra amin’ny fihetsehana rehetra ataon’ny mpisavalàlana.

Fizarana4 Ny komity mpiara-mitantana(Staff) dia ahitana ny komity mpanantanteraka miampy ny mpanolo-tsaina sy nyv mpampianatra. Ny filohan-tsokajy (kapiteny) dia azo asaina hiaraka amin’io komity io.

TOKO VII QUORUM

Mba ahafahana manapa-draharaha ao amin’ireo komity eo ambony ireo dia ilaina ny fanatrehan’ny maro an’isa amin’ny mpikambana

TOKO VIII FIVORIANA

Fizarana1 Ny fivoriana ara-dalana ny mpisavalàlana dia dia tokony hatao farafaha-keliny indroa isam-bolana. Ny fotoana sy ny

27

faharetan’izany fivoriana izany dia tkony ho tapahin’ny komity mpanantanterka ary hifototra amin’ireto modely manaraka ireto:

Modely A: Atao mandritra ny adiny telo miaraka amin’ny fombafomba fanombohana sy famaranana, ny filaharana, y lalao, ny taranja, sy ny fahakingana, atao ao anaty fandaharana iray avokoa izy rehetra.

Modely B: Programa adiny telo kanefa tapatapahina hizara roa miavaka:

Tapany voalohany: Ora iray ho an’ny mpisavalàlana amin’ny Sabata hanamafisanany firahalahiana sy ireo taranja.Tapany faharoa: Ora roa ho an’ny mpisavalàlana ao anatin’izany ny filaharana, ny lalao, ny taranja, ny fahaiza-manao, sy ny fombafomba fanombohana sy ny famaranana.

Modely C: Programa isan-kerinandro maharitra iray ka. hatramin’ny ora roa avy.

Fizarana2 Ny fivorian’ny Staff dia atao indray mandeha isam-bolana toy ny efa nolazaina.

Fizarana3 Ny fivorian’ny komity mpanatanteraka dia tokony hatao farafahakeliny isan-telovolana.

Fizarana4 Ny programa mandritra ny taona ataon’ny fikambanana dia tokony ahitana izay takian’ny departemantan’ny tanora ao amin’ny federasiona amin’ny fomba hahazoana ny grady.

TOKO IX NY MAHA-MPIKAMBANA SY NY FANATREHANA

Fizarana 1 Ny mpikambana ao amin’ny mpisavalàlana tanora zandriny dia voafetra ho 10 ka hatramin’ny 12 taona.

Fizarana 2 ny mpikambana ao amin’ny mpisavalàlana zatovo dia voafetra ho 13 ka hatramin’ny 15 taona.

Fizarana 3 Azo ekena ho mpikambana iay mahafeno ireto fepetra manaraka ireto:

a. Fanekena ny taratasy fisoratana anaranab. Fandoavana ny latsakemboky ny mpikambanac. Fanamiana ara-dalanad. Fahavononana ny hanaraka ny fitsipiky ny Voady

sy ny Lalàna.e. Fahavononana ny handray anjara amin’ny hetsiky

ny fikambanana rehetra.Fizarana 4 Azo ekena ho mpikambana ny tsy advantista manaiky hanaraka

ireo fepetra voalaza eo ambony ireo.

Fizarana 5 Ny fandraisana mpikambana vaovao ao amin’ny fikambanana mpisavalàlana dia eo amin’ny fiantombohan’ny telovolana sy/na daty roa na telo voafaritra mialoha mandritra ny taona.

28

Fizarana 6 Tokony ho marihana ny fanatrehana amin’ny programan’ny mpisavalàlana rehetra.

Fizarana 7 Ny mpisavalàlana dia tokony hanatrika ny 80%n’ny fihetsehan’ny mpisavalàlana rehetra.

Fizarana 8 Ny fialan-tsiny amin’ny tsi-fahatongavana rehetra dia tsy maintsy aseho amin’ny alàlan’ny taratasy nosoratan’ny ray aman-dreny na mpiahy ary aseho amin’ny talen’ny fikambanana.

Fizarana 9 Ny mpikambana tsy tonga indroa ao anatin’ny telovolana kanefa tsy misy fialan-tsiny dia hapetraka ho mpikambana zahan-toetra.

Fizarana 10 Ny mpikambana zahan-toetra dia azo averina ho mpikambana indray amin’ny alàlan’ny fandoavana ny latsakemboka fiverenana ho mpikambana arak’izay tapahin’ny komity mpanatanteraka.

Fizarana11 Tsy mahazo mandray mandray anjara amin’ny fotoana manokana ny mpikambana zahan-toetra.

TOKO X SOKAJY

Fizarana 1 Alamina ho sokajy tsaratsara kokoa mpisavalàlana 6-8Ny tovolahy sy tovovavy, miaraka amin’ny mpanolo-tsaina iray ho mpitarika azy ireo. Izany fizarana ho antoko madinika izany dia mahatsara kokoa y filaminana sy ny fifehezana, ary ahafahana manome fahalianana bebe kokoa no ny mpikambana tsirairay. Tokony sarahana ny lehilahy sy vehivavy ao amin’ny sokajy.

Fizarana 2 Ireo manam-boninahitra ao amin’ny sokajy:a. Ny filohan-tsokajy na kapiteny: ny sokajy tsirairay ao

amin’ny fikambanana, miaraka amin’ny mpanolo-tsaina azy, no mifidy yray amin’ny mpikambana ao aminy ho kapiteny. Tompon’nadraikitra amin’ny sokajiny ny kapiteny ary tokony hitarika izany amim-pahavononanana sy fiaraha-miasa amin’ny fihetsehana rehetra ataon’ny fikambanana. Tokony hiseho ho ohatra amin’ny fitondran-tena tsara amin’ny fotoana rehetra. Soso-kevitra ny tokony hisafidianana ny kapiteny isaky ny efatra ka hatramin’ny enim-bolana mba hananan’ny mpikambana tombontsoa azo hararaotina bebekokoa amin’ny fampivelarana ny fahaiza-mitarika.

b. Mpitantsoratry ny sokajy: Ny sokajy tsirairay miaraka amin’ny mpanolo-tsaina azy no misafidy mpikambana iray ao aminy ho mpitantsoratra. Io manam-boninahitra io no tompon’andraikitra amin’ny fanaovana tatitra any amin’ny mpitantsoratry ny fikambanana ny fanatrehan’ny mpikambana ao amin’ny sokajiny. Soson-kevitra ny tokony hisafidianana mpitantsoratry ny sokajy isaky ny efatra ka hatramin’ny enim-bolana mba

29

hanomezana tombontsoa ny mpikambana tsirairay hampivelatra ny fahaiza-mitarika.

Fizarana 3 Fanamiana:

a. Fanamiana mianjaika: Ny fanamiana ofisialy ny mpisavalàlana dia izay fanamiana ankasitrahan’ny federasiona ho an’ny mpikambana tsirairay sy ny mpandraharaha, ary tokony hanaovana isaky ny fivorian’ny fikambanana ihany sy mandritra ny toe-javatra hafa arak’izay lazain’ny talen’ny fikambanana.

b. Fanamiana an-tsaha : ny fanamiana an-tsaha ofisialy ankasitrahan’ny federasiona dia izay hanaivana amin’ny fihetsiketsehana rehetra arak’izay faritan’ny talen’ny fikambanana.

TOKO XI NY ARA-BOLAN’NY FIKAMBANANA

Fizarana 1 Ny latsak’emboka isan-taona, isan’kerinandro, isam-bolana, na isan-telovolana dia aloan’ny mpikambana rehefa feno niaraka tamin’ny mpitatsoratra ny taratasy fisoratana anarana. Haveria ny latsak’emboka raha toa ka tsy nekena ny taratasy fangatahana hisoratra anarana.

Fizarana 2 Ny famerenana ny maha-mambra dia tokony handoa ny latsak’emboka izay faritan’ny komity mpanatanteraka.

Fizarana 3 Ny fanatitra ho an’ny mpisavalàlana eo amin’ny fiangonana eo a-toerana mandritra ny andro’ny mpisavalàlana dia fandraisana anjara ataon’ny mambran’ny fiangonanaho fanohanana ny fihetsehan’ny fikambanana.

Fizarana 5 Ny tatitra ara-bola dia haseho eo amin’ny fivorian’ny komity mpanantanteraky ny fikambanana.

TOKO XII FITSIPIKANy fikambanana dia fehezin’ny fitsipika izay hapetraky ny Departemantan’ny Tanora eo amin’ny federasiona eo an-toerana.

TOKO XIII FANOVANAIty lalàm-panorenana ity dia azo ovana amin’ny latsa-baton’ny roa ampahatelon’ny komity mpiara-mitantana (Staff), ary tsy manan-kery raha tsy aorian’ny fankasitrahan’ny komity ny federasiona.

FIFIDIANANA MPANDRAHARAHA SY STAFF

A. NY KOMITY MPANATANTERAKY NY MPISAVALALANA

Tale mpitantana, tale sy ireo tale lefitraNy vaomiera mpanendry ao amin’ny fiangonana eo an-toerana no mifidy ny talen’ny

fikambanana mpisavalàlana ary, raha ilaina, ny tale mpitantana. Mambra vita batisa ary manana ny maha-izy azy, tsaratsara kokoa raha Filoha Mpitarika, izay ny fahalianany sy ny fahaizany no ilaina aminy hanaovany izany fanompoana izany. Soson-kevitra ny hanasana azy hiaraka amin’ny vaomiera mpanendry rehefa amin’ny fifidianana ireo tale lefitra. Ny isan’ny tale lefitra fidiana dia miankina amin’ny isan’ny mpisavalàlana ao amin’ny

30

fikambanana. Ny fikambananatsirairay dia mila lehilahy ho tale lefitra ho an’ny tovolahy ary vehivavy ho tale lefitra ho an’ny tovovavy.

Mpitantsoratra sy mpitahiry volaNy tale sy ny tale lefitra avy eo no mifidy ny mpitantsoratra sy ny mpitahiry vola.

Olona anankiray dia mety hikarakara ireo andraikitra roa ireo raha mety.Mety ho tale lefitra na na mpikambana hafa ao amin’ny Staff no mety ho angatahana hitazona ireo toerana ireo.

Mpiahy ara-panahyNy fikambanana tsurairay dia mila mifidy mpiahy ara-panahy-olona iray izay handray

andraikitra amin’ny fitarihana ny fanompoam-pivavahana sy ny fotoana manokana, ary hanana fahalianana manokana amin’ny mpisavalàlana rehetra sy ny mpikambana ao amin’ny staff ao amin’ny fikambanana. Mety ho iray amin’ireo tale lefitra, na pasitoran’ny fiangonana, na pasitora mpanampy, na pasitoran’ny tanora, na loholon’ny fiangonana, sns.

KOMITY MPIARA-MITANTANA (STAFF) NY MPISAVALALANA

Ny komity mpanatanteraka ny mpisavalàlana no mifidy ny mpikambana ao amin’ny komity mpiara-mitantana (Staff) arak’izao manaraka izao:

Mpanolo-tsainaMpikambana ao amin’ny taffn’ny mpisavalàlana izay mikarakara ny sokajy anankray

izay misy mpisavalàlana enina ka hatramin’ny valo avy.

MpampianatraIzy ireo no mitarika ny fampianarana ny taranja ao amin’ny kilasim-pandrosoana.

Mety ho mpampianatra ihany koa ny mpanolo-tsaina. Manam-pahaizana manokana amin’ny fampianarana ny Mari-boninahitra, asa manavanana, sy sampam-pianarana manokana hafa.

KapitenyNy mpitarika ny sokajy (matetika fidiana amin’ny alàlan’y latsa-baton’ny

mpikambana ary hankatoavin’ny komity mpanatanteraky ny mpisavalàlana).

MpitantsoratraNy mpahay ny « antontan’isa » ao amin’ny sokajy, mikarakara ny firaketana an-

tsoratry ny sokajy (matetika fidiana amin’ny alàlan’ny latsa-baton’ny mpikambana ao amin’ny sokajy ary ankatoavin’ny komity mpanatanteraky ny mpisavalàlana)

ANDRAIKITRY NY MPANDRAHARAHA SY NY STAFF

TALEN’NY FIKAMBANANA

Ny talen’ny fikambanana ao amin’ny mpisavalàlana dia tokony ho olona matotra izay mambran’ny fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito ara-dalàna. Tokony ho Filoha Mpitarika ary tokony nandalo ny fiofanan’ny Staffn’ny mpisavalàlana. Raha tsy Filoha Mpitarika izy, dia tokony hameno ny fitakiana ary ho Filoha Mpitarika haingana arak’izay azo atao.

31

Ny fahombiazana sy ny fitondrantenany fikambanana rehetra dia hiankina betsaka amin’ny fahaiza-mitarika hananan’ny talen’ny mpisavalàlana, tokony ho ohatra amin’ny aim-panahy, filaminana sy fahadiovana, fahavononana, manana toe-po tsara, maha-te ho tia, ary mahafehy tena? Tokony ho ohatra mipetraka amin’ny fanaovana fanamiana madio sy milamina ary ara-dalàna.

Tena tokony ho liana amin’ny tanora ny talen’ny mpisavalàlanaary mahafantatra amim-pangorahana ny oloana mahazo ny tanora zandriny sy ny zatovo. Ny fiainany dia tokony hampiseho izay azon’Andriamanitra atao amin’ny fiainan’ny tanora.

Tokony haranitra sy mahay mikaroka ary hafana fo, handray andraikitra, manana fahavononana ny hankasitraka hevitra vaovao, ary haneho fahaizana manapa-kevitra amin'’y fanatanterahana ny fikasany. Tsy maintsy ho afaka hiara-miasa tsara ami’ny Staff’ny, ary hanampy ny mpanolo-tsaina sy mpampianatra amin’izay olana mety ho hitany ao amin’ny kilasiny na ny sokajiny.

Adidin’ny talen’ny fikambanana:

1. Mambra ao amin’ny komitin’ny fiangonana2. Tokony hihazona ny fifandraisana amin’ny pasitoran’ny fiangonana, ny

pasitoran’ny tanora, ny loholona mpanohana sy hanasa azy ireo handray anjara amin’ireo fandaharan’asa sy zavatra hatao.

3. Hifandray amin’ny mpitarika ny tanora ao amin’ny federasiona ary handefa ny tatitra arak’izay takiana.

4. Izy no mpitarika ny fivorian’ny komity mpanatanteraky ny mpisavalàlana.5. Izy no mpitarika ny fivorian’ny staff raha toa ka tsy nanendry filoha lefitra

handray izany andraikitra izany.6. Eo ambany fanaraha-masony ny fihetsiketsehana rehetra ataon’ny

mpisavalàlana, ary tsy maintsy miantso, mandamina, mandrindra ny fivorian’ny fikambanana tsirairay.

7. Mitarika ny famolavolana ny fandaharan’asa manontolo mandritra ny taona ary mamokatra ny fandaharam-potoanan’ny toe-javatra hiseho, izay avy amin’ny Staff rehetra, ny mpisavalàlana, sy ny ray aman-dreny.

8. Tompon’andrakitra amin’ny alàlan’ny komity mpanatanteraka amin’ny fanomezana ny ankapoben’ny programan’ny fikambanana amin’ny alàlan’nireto fihetsehana manaraka ireto:

a. Toerana sy fotoana fivorianab. Fivoahana isan-droa volanac. Filasianad. Fitsangatsanganana sy tetik’asa fitorianae. Lanonana fametrahana gradyf. Ara-bola /teti-bola/latsak’embokag. Fifehezanah. Taratasim-baovao sy filazana

9. Tompon’andraikitra amin’ny fivorian’ny Staff amin’ny famolavolana ny fivoriana ara-dalàn’ny fiikambanana, ao anatin’izany ireto fihetsehana manaraka ireto, ary hiantoka fa ny komity sy ny olona samihafa dia tompon’andraikitra amin’ny fikarakarana ny fanatanterahana azy:

a. Fanazaran-tena amin’ny lanonana fanombohana na famaranana.b. Fanompoam-pivavahanac. Lalao /fialam-bolyd. Kilasim-pandrosoana/mari-boninahitra/Fahaiza-mikaroka

32

e. Fandaminana ny sokajy/ny mpanolo-tsaina sy ny mpampianatra ary ny andraikiny

IREO TALE LEFITRA

Ny tale lefitra dia hanaiky ny anjara asan’ny tale sy hiara-misalahy amin’ny andraikitra fitarihana ny fikambanana. Tokony hisy tale lefitra roa na maromaro arak’izay ilain’ny fikambanana eo an-toerana.

Ny tale lefitra iray tendren’ny tale no handray an-tanana ny fivorian’ny fikambanana amin’ny tsy maha-eo ny Tale. Azon’ny tale angatahina ny hitarika ny fivorian’ny staff ihany koa izy.

Ny tale lefitra dia tokony hanana ny toetra tsara takiana amin’ny fitarihana arak’izay nosoritana teny amin’ny tale. Ny fanajana sy fiheverana ambony indrindra dia tokony aseho amin’ny tale ary ny rehetra dia tokony hiara-miasa amin’ny firindrana ety dia ety.

Andraikitry ny tale lefitra1. Fanatanterahana ny kilasy2. Fandraisana an-tsoratra3. Fitahirizam-bola4. Lalao5. Fihetsehana an-dasy6. Mari-boninahitra syny asa manavanana7. Mozika8. Fitaovan’ny Mpisavalàlana9. Zava-boary10. Fiahiana ara-panahy/fanompoam-pivavahana11. Fitaterana12. Toe-javatra manokana/Fivoahana isan-droa volana/ Fitsangatsanganana,sns.13. Fitoriana amin’ny any ivelany14. Fifandraisana amin’ny be sy ny maro

MPITANTSORATRY NY FIKAMBANANA

Mandrakariva saiky ny tale mpananmpy no mpitantsoratry ny fikambanana mpisavalàlana, kanefa azo safidiana avy amin’ny mpikambana ao amin’ny Staff ihany koa. Ny mpitantsoratra no ho tompon’andraikitra amin’ny fitanana ny firaketana an-tsoratry ny fibambanana rehetra ankoatr’izay tazomin’ny mpitahiry vola. Ao amin’ny fikambanana madinika ny asan’ny mpitahiry vola sy ny mpitantsoratra dia mety ho raisin’ny olona iray an-tanana.

Ny mpitantsoratra mahay mandamina tsara sy mahomby dia manana tombam-bidy tsy hay tombanana ho an’ny fandaharan’asan’ny fikambanana mpisavalàlana.

Andraikitry ny mpitantsoratry ny fikambanana

1. Manara-maso ny firaketana ataon’ny mpitantsoratry ny sokajy ary mamindra izany ao amin’ny taratasy firaketana an-tsoratra ny mpisavalàlana tsirairay.

2. Mirakitra ny isa tsara na ratsy ao amin’ny taratasy firaketana maharitra.

33

3. Mametraka ny lisitry ny isa azon’ny sokajy tsirairay ao amin’ny tabilao filazana farafahakeliny isam-bolana.

4. Mameno ny tatitra sy mandefa izany any amin’ny federasiona isaky ny fahafolon’ny volana.

5. Mampandre ny tale ny zava-bitan’ny fikambanana ao amin’ny drafitra fanomezana isa any amin’ny federasiona.

6. Mampahafantatra ny tale raha misy mpisavalàlana iray tsy tonga matetika (indrindra raha tsy misy fialan-tsiny), na manao tsirambina amin’ny fanaovana fanamiana.

7. Tompon’andraikitra amin’ny fitazomana nytabilao filazana ho manintona izay tokony hioava matetika.

8. Manafatra fitaovana sy izay taratasy firaketana rehetra ilaina avy any amin’ny biraon’ny federasiona.

9. Tompon’andraikitra amin’ny fikarakaranan y fifandraisana rehetra sy ny taratasy ho an’ny tale arak’izay ilaina.

10. Tompon’andraikitra amin’ny trano famakiam-boky ny mpisavalàlana sy mihazona an-tsoratra ny boky na gazety boky rehetra nentin’ny mpikambana ao amin’ny Staff na ny mpisavalàlana.

MPITAHIRY VOLAN’NY FIKAMBANANA

Mandrakariva saiky ny tale lefitra no mpitahiry vola, na izany aza, azo atao ny mifidy azy avy amin’ny mpikambana ao amin’ny Staff. Tena zava-dehibe mihintsy ny hiasan’ny mpitahiry vola akaiky amin’ny talen’ny fikambanana sy ny mpitahiry volan’ny fiangonana, mampahafantatra azy roa ireo tsara ny vola lany sy ny vola eo an-tanana. Ao amin’ny fikambanana kelikely kokoa dia mety ho olona iray no mpitahiry vola sy mpitantsoratra, na dia hahomby kokoa ny programa raha toa ka misaraka. Ilain’ny mpitahiry vola ny ho olona mitantana ny volan’ny fikambanana amim-pahamarinana sy fitandremana fatratra. Tena ho idealy indrindra raha efa nanana fanandramana tamin’ny fitantanam-bola no fidiana ho mpitahiry vola.

Ny mpitahiry vola mitady izay hahasoa sy azo ianteherana dia afaka hanampy ny fikambanana Mpisavalalana amin’ny fampiasana ami-pahendrena ny volan’ny fikambanana. Afaka mampahafantatra tsara ny komitin’ny fiangonana ny vola miditra sy ny vola mivoaka ary koa izay ilain’ny fikambanana. Izany no ho lasa antoka ho amin’ny valiny mahafa-po kokoa avy amin’ny fiangonana amin’ny fotoana ilàna azy.

Andraikitrin’ny mpitahiry volan’ny fikambanana

1. Manisa sy mitana an-tsoratra ny vola rehetra, toy ny vidim-pidirana sy ny latsak’emboky ny mpikambana, fanatitra, vidina taozavatra, fanomezana, fitadiavam-bola.

2. Mamindra ny vola any amin’ny mpitahiry volan’ny fiangonana ho tahiry.3. Mihazona ny taratasy mirakitra ny vola miditra sy mivoaka isan’andro, manoritsoritra

izany fohifohy sy mirakitra ireo daty.4. Mitazona ny rosia, ny faktiora, mifandray amin’ny fandaniana, ary mandamina izany

amim-pitandremana ao anaty valopy na toerana fitehirizana izany isam-bolana.5. Manana ny boky firaketana an-tsoratra sy ny rosia rehetra ary ny faktiora ho vonona

amin’ny fizahana sy ny fanehoana amin’ny tale, ny mpitahiry volan’ny fiangonana, komity mpanatanteraky ny mpisavalàlana, ary ny fangatahan’ny komitin’ny fiangonana.

6. Mamoaka ny vola arak’izay tapahan’ny komity mpanatanteraka amin’ny alalan’ny tale na ny olona voatendry hanome alàlana, ary hahazo antoka fa voakarakara avy hatrany ny kaonty rehetra.

7. Mandray ny volan’ny Mpisavalalana notehirizin’ny mpitahiry volan’ny fiangonana.

34

8. Ho vonona amin’ny fanangonam-bola sy hitahiry amim-pahamarinana ny firaketana ny vola azo.

9. Mitana an-tsoratra ireo fitaovana hafa na vola naverina10. Manangona vola hividianana fanamiana sy fitaovana ary mandoa izany.11. Manangona ny saran-dasy sy saran’ny fitsangantsanganana.12. Hahazo antoka fa ireo izay mandray vola dia manome faktiora azo tehirizina sy

ampirimina.

NY MPIAHY ARA-PANAHIN’NY FIKAMBANANA

Mitana andraikitra tena manan-danja ao amin’ny fikambanana ny mpiahy ara-panahy, amin’ny fitarihana sy fanomezana fotoana azo hararaotina hampivelarana ny ara-panahy sy ny fiaraha-miasa ary ny fifanohanana eo amin’ny Mpisavalalana sy ny Staff. Tsy maintsy ho mambra vita batisa ao amin’ny fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito ary manana fitondrantena tsara sy manana ny maha-izy azy ao amin’ny fiangonana misy ny fikambanana. Mety ho tale lefitra izy io na mpikambana hafa ao amin’ny Staff, na pasitoran’ny fiangonana na pasitoran’ny tanora na loholona. Tokony hanana fahaiza-mandamina sy fitarihana fihetsehana ara-panahy mahomby eo amin’ny fikambanana.

Andraikitry ny mpiahy ara-panahin’ny fikambanana

1. Tokony hanao fanamiana2. Manoro hevitra sy miara-miasa akaky amin’ny talen’ny fikambanana amin’ny

fanomanana ny fihetsehana ara-panahy.3. Mandamina ny fanompoam-pivavahana sy ny mpandaha-teny ary ny fotoana

fiaraha-mivavaka.4. Mandamina sy mitarika ny asa fitoriana miara-miasa amin’ny tale.5. Misafidy ireo olona hivavaja mandritra ny fivoriana sy ny fihetsehan’ny

fikambanana.6. Mandamina ny fotoam-pivavahana, ny sekoly sabata, ny fanompoam-

pivavahana, sy ny fandaharam-potoana amin’ny folak’andro any amin’ny lasy na ny fivoahana hafa.

7. Miara-miasa akaiky amin’ny tale sy ny pasitora amin’ny fametrahana ny andron’ny Mpisavalalana isan-taona sy ny fanompoam-pivavahana amin’ny lanonanana fametrahana mari-pandrosoana.

8. Miasa amin’ny maha-mpanolo-tsaina manokana ara-panahy miaraka akaiky amin’ny mpanolo-tsain’ny sokajy.

9. Mahafantatra manokana ny mpisavalàlana sy ny mpikambana ao amin’ny Staff tsirairay avy, ary mamporisika azy ireo amin’ny fifandraisany amin’ny Tompo.

10. Mampiseho fanandramana kristiana voalanjalanja amin’ny alalan’ny fandraisana anjara amin’ireo fihetsehana momba ity fiainana ity fa tsy momban’ny fivavahana ihany.

MPANOLO-TSAIN’NY TARIKA

Ny mpanolo-tsaina no mpitarika ny tarika iray misy tovolahy na tovovavy enina ka hatramin’ny valo.Lehilahy no tokony hitarika ny tovolahy ary vehivavy no tokony hitarika ny tovovavy. Mihazona toerana manokana ao amin’ny fikambanana ny mpanolo-tsaina satria manana fifandraisana ety dia ety amin’ny Mpisavalalana izy.

Mambra vita batisa ao amin’ny Fiangonana Advantista mitandrina ny Andro fahafito misy ny fikambanana no fidiana ho mpanolo-tsaina. Tsy maintsy ho kristiana niova fo sy

35

manolo-tena. Tsy maintsy manam-paniriana ny hianatra sy ny hitombo, ary tokony hanitatra ny fahalalany ny zavakanto, ny taozavatra sy ny zava-boary, mba ahafahany manampy ny fanitara-pahalalan’ny mpikambana ao amin’ny tarika tarihiny. Tokony hametraka ohatra tsara eo amin’ny toe-tsainy sy ny fitondrantenany izy.

Tokony hiaraka amin’ny tarika mandrakariva ny mpanalo-tsaina rehefa manao zavatra amin’ny maha-tarika Mpisavalalana azy ny tarika, raha tsy hoe misy mpanolo-tsaina mpanampy mikarakara izany. Mandritra ny fotoana hamitana ny kilasy na ny taozavatra dia tokony hiparitaka amina gropy maromaro ny tarika, ary amin’izay fotoana izay dia eo ambany fanaraha-mason’ny mpampianatra izy ireo.

Manjary mifankazatra tsara amin’ny mpikambana ao amin’ny tarika ny mpanolo-tsaina. Tokony hiditra ao amin’ny fihetsiketsehana rehetra izy ka hahazo ny fitokisany amin’izany. Tokony hifankazatra amin’ny ray aman-dreniny sy ny toerana misy azy any an-tokatrano. Tsara ho an’ny mpanolo-tsaina ny mamolavola fihetsehana any ivelan’ny programan’ny fikambanana miaraka amin’ny sokajiny, kanefa rehefa omen’ny talen’ny fikambanana alalana ihany.

Tokony hiaro ny fitsipi-piainan’ny fikambanana amin’ny fotoana rehetra ny mpanolo-tsaina. Tokony hiara-miasa amim-pirindrana tsara amin’ny mpandraharaha hafa ao amin’ny fikambanana, ary maniry ny hanompo na amin’ny fotoana inona na fotoana inona hiantsoana azy hanatanteraka ny adidiny.

Andraikitry ny mpanolo-tsain’ny sokajy1. Mandray an-tanana sy mitarika/mampianatra tarika na kilasy anankiray, miasa sy

mijanona miaraka aminy mandritra ny fandaharana rehetra.2. Mamporisika, mampianatra, manao ny fitsapana ilaina amin’ny kilasim-

pandrosoana ho amin’ny lanonana fanokanana (investiture)3. Mametraka ohatra fakan-tahaka amin’ny fahadiovana, fanatrehana, fahamarinam-

potoana sy fanamiana.4. Miara-mandeha sy manao fanazaran-tena miaraka amin’ny tarika.5. Mampivelatra fifankahafantarana mahafinaritra sy fisakaizana ao amin’ny

fikambanana.6. Manampy ny mpikambana amin’izay mety ho olana mety hiseho sy

mampahafantatra ny mpitarika (manaja ny tsiambaratelo).7. Mamporisika ny mpikambana rehetra handray anjara amin’ny fihetsiketsehana

rehetra.8. Mandray anjara amin’ny filasiana, mandamina ny antsipirihany rehetra miaraka

amin’ny tale lefitra sy ny mpikambana.9. Manatrika ny fivorian’ny komitin’ny Staff10. Mampahafantatra mialoha ny tale raha tsy ho afaka hanatrika ny fivoriana.

MPANOLO-TSAINA TANORA ZANDRINY (CONSEILLER JUNIOR)

Matetika ny Filoha mpitarika eo am-piofanana (16 taona na mihoatra) no mpanolo-tsaina tanora zandriny na tanora hafa izay nahavita ny kilasim-pandrosoana ao amin’ny Mpisavalalana kanefa maniry ny hijanona sy hanampy ny fikambanana. Tokony hanana ny fahaiza-manao, toetra tsara mitovy amin’ny mpanolo-tsain’ny tarika izy ary manana faniriana ny hianatra ho tonga mpitarika.

36

Andraikitry ny mpanolo-tsaina tanora zandriny (conseiller junior)

1. Miasa eo ambany fitarihan’ny mpanolo-tsaina matotra na olon-dehibe2. Manampy amin’ny fihetsehan’ny tarika sy ny fihetsehan’ny klioba.3. Manaiky ny andraikitra omen’ny mpanolo-tsaina4. Mandray an-tanana ny sokajy rehefa tsy eo ny mpanolo-tsaina5. Manatrika ny fivorian’ny komitin’ny Staff6. Manome ohatra amin’ny fahadiovana, fanatrehana, fahamarinam-potoana,

fanamiana sns.7. Miara-mandeha sy manao fanazaran-tena miaraka amin’ny tarika.8. Mandray anjara amin’ny filasiana sy fivoahana

MPAMPIANATRA

Ny mpampianatra dia olona izay mampianatra fahaiza-manao manokana na taranja toy ny Baiboly, Fitomboan’ny tena manokana, lasy sy haitao, mari-boninahitra na asa manavanana.

Ny mpampianatra dia azo alaina avy amin’ireo mpikambana mahatoky sady mahavita ny adidiny ao amin’ny Staff. Etsy an-daniny, azo atao ny misafidy manam-pahaizana manokana avy ao amin’ny fiangonana na ny fiaraha-monina mba hampianatra lohahevitra iray. Ireo mpampianatra ireo dia mety ho mambra na tsia ao amin’ny fiangonana. Heverina ho toy ny Staff mandritra ny fotoana tsy maharitra izy ireo.

Tokony hianatra amim-pitandremana tsara ny taranja sy ny zavatra takian’ny lohahevitra, mari-boninahitra na haitao hampianarina izy ireo, mialohan’ny hampidirana izany ao amin’ny Mpisavalalana. Ny mpampianatra dia tsy maintsy miara-miasa akaiky amin’ny mpandrindran’ny kilasy ao amin’ny Mpisavalalana na ny mpandrindra ny mari-boninahitra sy ny asa manavanana, mba ahazoana antoka fa tafiditra ao daholo izay zavatra takiana hahatonga ny Mpisavalalana ho azo omena ny mari-boninahitra sahaza azy.

NY FILOHAN’NY TARIKA (KAPITENY)

Ny kapiteny dia mpikambana fidian’ny tarika mba hamporisika ny gropy misy azy hahavita zavatra sy hahomby amin’ny alalan’ny ohatra asehony sy ny fampiasana ny hery miasa mangina avy aminy mba hanindry mandry ny mpikambana tsirairay hanao izay tsara indrindra mety ho vitany. Ny fe-potoana hiasany dia miovaova miainga amin’ny telovolana ka hatramin’ny herintaona, miankina amin’ny fitsipika arahin’ny Staff. Mandritra ny fihetsehana rehetra dia manao ny fanamiana misy ny famantarana ny andraikiny ny kapiteny.

Tena zava-dehibe ny andraikitry ny kapiteny, ary tsy tokony haneho fahaiza-mitarika sy mitantana fotsiny izy fa hametraka ihany koa toe-tsaina kristiana mahafantatra sy manaja ny hafa.

Andraikitry ny kapiteny1. Manampy ny mpanolo-tsaina sy mandray an-tanana ny tarika rehefa ilaina izany.2. Mitondra sy mitana ny faneva araka ny tokony ho izy.3. Mijery raha mipetraka tsara eo anoloan’ny tarika ny fanevany mandritra ny

filasiana.4. Mitondra ny sainam-pirenena sy ny sainan’ny Mpisavalalana mandritra ny

lanonana fananganan-tsaina rehefa voafidy.5. Mitatitra ny fanatrehan’ny tarika amin’ny fotoana fiantsoana anarana.6. Manazatra ny tarika arak’izay lazain’ny mpanolo-tsaina.

37

MPITANTSORATRY NY TARIKA NA FILOHA MPANAMPY

Ny mpitantsoratry ny tarika na filoha mpanampy dia mpikambana nofidian’ny sokajy mba hanatanteraka adidy manokana samihafa. Miovaoava ao anatin’ny telovolana ka hatramin’ny herintaona ny faharetan’ny fotoana hiasany, miankina amin’izay fitsipika neken’ny komitin’ny Staff. Mandritra ny fihetsehana rehetra dia manao fanamiana misy ny marika famantarana ny andraikiny izy.

Adidin’ny filoha mpanampy

1. Manatanteraka ny andraikitry ny kapiteny amin’ny tsy maha-eo azy .2. Manamarina raha tafaverina avokoa ny fitaovan’ny tarika aorian’ny lasy (miara-

miasa amin’ny kapiteny/mpanolo-tsaina/filoha lefitra). Mandray an-tsoratra ireo zavatra mila fanamboarana.

3. Miasa amin’ny maha-mpitondra hafatra ny tarika mankany amin’ny tale araka ny fangatahan’ny mpanolo-tsaina azy.

4. Manome taratasy fialan-tsiny ho fenoina ho an’ny Mpisavalalana izay tsy tonga ao amin’ny tarika misy azy, manamarina miaraka amin’ilay olona tsy tonga amin’ny fivoriana manaraka raha toa ka nekena ny fialan-tsiny nataony na tsia, ary manitsy ny ao amin’ny firaketana an-tsoratra araka ny toromarika azo.

5. Mitahiry ny fitanana an-tsoratra rehetra ao amin’ny tarika ary manampy amin’ny famenoana ny tatitra isam-bolana mankany amin’ny Federasiona rehefa miangavy ny mpitantsoratry ny klioba

TALE MPITANTANA NA FILOHA ANKAPOBENY

[Natao ihany ho an’ireo fiangonana izay sady misy ny fikambanan’ny tanora zandriny (10-12 taona) no misy ny fikambanan’ny zatovo (13-15 taona)]

1. Ny tale mpitantana no mampifandray ny talen’ny klioban’ny tanora zandriny sy ny talen’ny klioban’ny zatovo.

2. Ny tale mpitantana dia mambra ny komitin’ny fiangonana ary misolo tena ireo klioba ireo.

3. Rehefa mivory ny talen’ny tanora zandriny sy ny zatovo dia izy no mandrindra sy mitarika ny fihetsehana ary ny tale anankiroa no lefiny amin’izay fotoana izay.

4. Ny torohevitra sy ny fitarihan-dàlana avy amin’ny tale mpitantana dia tokony ho katsahin’ny talen’ny klioba anankiroa. Hanana tombontsoa amin’ny fahavononana sy fanampian’ny tale mpitantana izy ireo sy ny kliobany..

5. Ny tale mpitantana no komity mpanatanteraka sy mpanolo-tsaina ao amin’ny klioba anankiroa ary tokony ho ekena sy omen’ny tale anankiroa ny fanajana sahaza azy.

6. Ny tale mpitantana dia tsy tokony hihevitra fa nohon’ny toerany dia manana zo ny handray ny fandaharan’asa eny ampelatanan’ny talen’ny tanora zandriny sy ny talen’ny zatovo izy. Tokony ho vonona hanampy izy amin’izay ilàna azy na amin’ny toe-javatra maika tsy azo anoharana.

38

7. Andraikitry ny tale mpitantana ny manampy amin’ny fitadiavana mpikambana vaovao fanampiny ao amin’ny Staff ho an’ny klioba anankiroa rehefa nifampidinika tamin’ny tale anankiroa.

8. Tokony hanatrika fivorian’ny fikambanana maro arak’izay azo atao ny tale mpitantana. Hampahatanjaaka ny fikambanana ny fahaliananany sy ny fanatrehany.

9. Ny fitsipika sy ny tari-dàlana avy any amin’ny Federasiona dia mandalo any amin’ny tale mpitantana mankany amin’ny talen’ny fikambanana anankiroa, ka anjaran’izy ireo avy eo no mampita izany any amin’ny Staff-ny. Zava-dehibe ny hampitan’ny tale mpitantana ny zavatra sy ny vaovao rehetra azony.

10. Ny tale mpitantana no mitarika ny fivorian’ny komity ara-potoanan’ny mpandrindra ny Mpisavalalana miaraka amin’ny tale rehetra (Ny tale sy ny tale lefitra ao amin’ny tanora zandriny sy ny zatovo) mba:

a. Mba handinihana ny fandaharan’asan’ny fikambanana tsirairay. Mihevitra izay hanatsarana sy hanitsiana. Mandrindra ny programa mba tsy hifanindry ireo fandaharam-potoana goavana ao amin'ny fikambanana tsirairay.

b. Manorina fifandraisana mahafinaritra eo anivon’ny fikambanana anankiroa ho amin’ny fihetsiketsehana ho avy.

c. Mamolavola programa fanofanana ny Staff ao amin’ny fikambanana tsirairay. Ny tale mpitantana dia hiara-miasa sy hiara-mamolavola amin’ny tale tsirairay avy ho amin’ny fampivoarana ny staff-ny amin’ny fanaovana programa fanofanana mitohy ho amin’ny mpikambana ao amin’ny Staff rehetra. (Azo alaina any amin’ny Departemantan’ny tanora ao amin’ny Federasiona ny programa fanofanana ny Staff).

11. Natao handrindra ny fisehoan-javatra rehetra mahatafiditra ny fikambanana anankiroa izy toy ny Lanonana fanokanana (investiture), Andron’ny Mpisavalalana, fihaonam-be sy ny tsenaben’ny Mpisavalalana.

MPANDRINDRA NY FARITRA (CZ) AO AMIN’NY MPISAVALALANA

Azo zaraina faritra ara-jeografika maromaro ny federasiona/misiona anankiray miaraka amin’ny mpandrindra ny faritra miasa ao amin’ny faritra tsirairay. Ireto fahaiza-manao, fomba arahina sy andraikitra manaraka ireto no tari-dalana amin’ny fifidianana olona iray hitazona izany toerana izany ary ampiasaina ho votoatin-kevitra ho an’ny olona voafidy. Tokony ho eken’ny komitin’ny Federasiona ny mpandrindra vao manana fahefana.

I. Zavatra takiana amin’ny Mpandrindra ny Mpisavalalana

A. Filoha Mpitarika

B. Manana fanandramana farafahakeliny dimy taona tao amin’ny Mpisavalalana ao anatin’izany ny telo taona tao amin’ny andraikitra fitantanana.

D. Mipetraka eo amin’ny faritry ny Mpisavalalana hiasany.

E. Tsy mitana andraikitr ao amin’ny fikambanana Mpisavalalana eo an-toerana

39

F. Ny zavatra hafa ankoatr’ireo voalaza eo ambony ireo dia tsy maintsy heken’ny talen’ny fikambanana Mpisavalalana ao amin’ny Federasiona/Misiona.

II. Fifidianana ny mpandrindra ny faritra ao amin’ny Mpisavalalana

A. Roa taona ny fe-potoana hiasany kanefa azo fidiana indray izy.

B. Ny vaomiera mpanendry ao amin’ny fikambanana eo an-toerana dia ny Staff ka ny talen’ny fikambanana no mitarika ny fivoriana sy misolontena azy. Ny fanedrena tsirairay ataon’ny fikambanana dia asehon’ny talen’ny fikambana any amin’ny filohann’y tanora ao amin’ny federasiona farafa-keliny 30 andro mialohany fifidianana.

D. Ny komity mpifidy dia ahitana ny talen’ny fikambanana ao amin’ny faritra sy ny talen’ny tanora ao amin’ny Federasiona, ny mpiara-miasa aminy na izay tendreny no mitarika ny fivoriana ka mifidy ny mpandrindra ny faritra.

E. Ny mpandrindra ny faritra voafidy dia ho entina eo anatrehan’ny komitin’ny Federasiona mba ho ankatoaviny.

F. Handray ny andrikiny avy hatrany ny mpandrindra ny faritra vao nofidiana raha vao nankatoavin’ny komitin’ny federasiona izany.

III. Andraikitry ny mpandrindra ny faritra

A. Andraikitra fototra takiana:

Ny komitin’ny Federasiona/Misiona dia manome alalana ny mpandrindra ny faritra mba hanompo amin’ireto asa manaraka ireto:

Ho azo raisina hanampy ny pasitora eo an-toerana /na ny mpitarika ny fikambanana amin’ny fampandrosoana sy fanohahnana ny fitsipika sy fanadaharan’asan’ny Mpisavalalana avy any amin’ny Fivondronam-be na ny Foibe maneran-tany.

Mamangy ny fikambanana tsirairay ao amin’ny faritra hiasany matetika arak’izay azo hatao mba hahafantatra tsara ny programan’izy ireo.

Manatrika ny fivorian’ny mpandridra ny Mpisavalalana mba hanampy amin’ny famolavolana ny fomba fiasa ao amin’ny Federasiona sy ny fandaharan’ asan’ny Mpisavalalana amin’ny ankapobeny. Tokony hisy farafaha-keliny isan-telovolana izany fivoriana izany.

Manampy ny mpitarika ny tanora ao amin’ny Federasiona/Misiona amin’ny fihaonam-be (camporee), tsenabe, fiofanana sy asa hafa ataon’ny Federasiona/Misiona ho an’ny Mpisavalalana.

B. Ny asa hafa izay hangatahin’ny fikambanana eo an-toerana sy/na ny pasitora:

40

Manampy ny fikambanana eo an-toerana amin’ny fihetsehana toy ny Andron’ny Mpisavalalana, Fanokanana (investiture), fidirana ho mpikambana (induction) sy fitsidihana.

Mamporisika ny fiangonana tsy misy fikambanana Mpisavalalana ary manampy azy ireo amin’ny fanombohana izany.

Manetsiketsika sy mitarika ny fihetsehana eo amin’ny faritra toy ny lasy, fitsangatsanganana, hetsika ara-panatanjahan-tena, fanofanana mpitarika sy ny fivorian’ny mpitarika.

D. Soso-kevitra azo hisafidianana

Manetsiketsika ny fandraisana anjara eo anivon’ny fiaraha-monina toy ny Filaharam-be, tsena be.

Manetsiketsika sy mitarika ny tetik’asa fitoriana sy fanompoana eo amin’ny faritra.

Mamoaka gazety ho an’ny fikambanana ao amin’ny faritra.

Ny fihetsehana hafa irian’ireo talen’ny fikambanana ao min’ny faritra misy azy.

IV. Ny Mpitari-draharahan’ireo mpandrindra ny faritra

A. Ny filohan’ny tanora ao amin’ny Federasiona/Misiona, na ny mpiara-miasa aminy no mpitari-draharaha amin’ny fivorian’ny mpandrindra ny faritra.

B. Ny mpitari-draharaha lefitra dia azo tendrena avy amin’ireo mpandrindra ny faritra.

V. Andraikitry ny mpitari-draharaha lefitra

A. Amin’ny tsy maha-eo ny mpitari-draharaha, dia ny lefitra no mitarika ny fivoriana ary mitatitra ny fanapahan-kevitra noraisina any amin’ny mpitari-draharaha.

B. Amin’ny toe-javatra maika, sy ny tsy maha-eo ny mpitari-draharaha dia manana andraikitra amin’ny fandaminana ireo mpandrindra mba ahazoana antoka ny fitohizan’ny asa eo amin’ny programan’ny Mpisavalalana.

MAMBRAN’NY KOMITYKOMITY MPANDRINDRA

(Amin’ny toerana izay misaraka ny fikambanana tanora zandriny sy ny zatovo ary eo ambany fitarihan’ny tale mpitantana)

Tale mpitantana (mpitari-draharaha)

41

Talen’ny fikambanana (tanora zandriny sy zatovo)Tale lefitra (tanora zandriny sy zatovo)Mpandrindra ny Federasiona (mpikambana avy hatrany)

KOMITY MPANATANTERAKA AO AMIN’NY MPISAVALALANA

Talen’ny fikambanana « klioba » (mpitari-draharaha)Tale lefitraMpitantsoratraMpitahiry volaMpiahy ara-panahyNy filohan’ny tanoraTalen’ny sekolim-piangonanaPasitora (mambra avy hatrany)Ny loholon’ny tanora (mambra avy hatrany)Ny tale mpitantana (mambra avy hatrany)Ny mpandrindra ny Federasiona (mambra avy hatrany)

KOMITIN’NY STAFF MPISAVALALANA

Mambra avy hatrany ny komity mpanatanteraka, miampy ny:Mpanolo-tsainaTanora zokiny mpanolo-tsainaMpampianatraKapiteny (azo asaina hiaraka hivory amin’ny komitin’ny Staff ny filohan-tsokajy)

IREO MAMBRA AO AMIN’NY FIKAMBANANA

Zavatra takiana

1. Mba ho azo horaisina ho Mpisavalalana ny mpangataka dia tsy maintsy folo taona farafahakeliny, ary tsy mihoatra ny dimy ambinifolo taona. Any amin’ny toerana iray misy fikambanana anankiroa ; ny ankizy 10 ka hatramin’ny 12 dia mamonjy ny fikambanan’ny Mpisavalalana zandriny ary ireo 13 ka hatramin’ny 15 taona dia hamonjy ny fikambanan’ny zatovo. (Any amin’ny faritra sasany ny ambaratongam-pianarana no ampiasaina ho tari-dalana.)

2. Ny taratasy fangatahana ny ho mpikambana izay azo alaina ao amin’ny tale/mpitantsoratry ny fikambanana dia tsy maintsy fenoina sy averina any amin’ny komity mpanatanteraka mba hodinihana sy fandraisana azy ho mpikambana.

3. Ny karatra fahazoan-dalana « pasipaoro » dia azo alaina rehefa nangatahana an-tsoratra tany amin’ny tale/mpitantsoratra.

4. Ny mpikambana rehetra dia tsy maintsy mandoa ny saram-pidirana sy ny fiantohahana arak’izay takian’ny komity mpanatanteraka.

42

5. Ny Mpisavalalana tsirairay dia tokony hanana sy hanao fanamiana ara-dalàna na ny fitondra mianjaika na ny fitondra an-tsaha. Ny Mpisavalalana dia tsy maintsy tonga ao amin’ny fivoriana sy ny fihetsehana tohanan’ny fikambanana miaraka amin’ny fanamiana arak’izay atoron’ny tale.

6. Tsy maintsy ho mahatoky amin’ny famonjena ny fivoriana ny mpikambana. Ny ankamaroan’ny fikambanana dia mametraka fetra ny amin’ny tsi-fahatongavana sy ny fahatarana, ary ny Mpisavalalana tsy manaiky izany fandaminana izany dia azo apetraka hozahan-toetra na hangatahina hiala amin’ny fikambanana

7. Tsy maintsy mianatra sy mitandrina ny Voady sy ny Lalàna ny Mpisavalalana.

8. Tafiditra ao anatin’ny fihetsehan’ny fikambanana ny haitao, fivoahana, fivorian’ny fikambanana ara-potoana, kilasim-pandrosoana, fanangonam-bola, filasiana, asa fitoriana amin’ny any ivelany, Mari-boninahitra, sy fihetsehana hafa. Tsy maintsy manaiky ny Mpisavalalana mialoha ny hiarahany amin’ny fikambanana fa handray anjara sy hiara-miasa amin’ireo fihetsiketsehana ireo.

9. Ny ray aman-drenin’ny Mpisavalalana dia tsy maintsy vonona ny hiara-miasa amin’ireo fitsipika sy fihetsehan’ny fikambanana. Indraindray angatahina izy ireo hanohana ara-bola sy ara-potoana ny maha-mpikambana ny zanany.

10. Ny tale voafidy sy ny Staff ara-dalàna rehetra dia mpikambana ao amin’ny fikambanana nohon’ny andraikiny.

43

TARATASY FISORATANA ANARANA HIDIRANA HO MPIKAMBANA MPISAVALALANA

(Natao ho fenoin’ny mpangataka)

Tiako ny hirotsaka ao amin’ny Fikambanana Mpisavalalana _______________. Hanatrika ny fivoriana, dia an-tongotra, ny filasiana, ny fitsangatsanganana, ny asa fitoriana amin’ny any ivelany, sy ny fihetsehana hafa takiana amiko. Manaiky ny ho tarihana amin’ny alalàn’ny fitsipiky ny fikambanana sy ny Voady ary ny Lalàna aho.Sonian’ny Mpisavalalana________________________Daty______________

Efa Mpisavalalana aho Tsia Eny (Taiza)_________________________Raha eny, lazao ny kilasim-pandrosoana vitanao teo aloha:Sakaiza _____________Namana_____________ Mpanazava______________Mpamaky lay_________Mpandeha lavitra______ Mpitarika_______________Efa nahavita ireto mari-boninahitra ireto aho:(tanisao)__________________________________________________________________________________________________________

44

Anarana ___________________Laharana tariby _________________Adiresy _________________________________________________Sekoly ___________________Grady ________________________Fiangonana _________________________________________________Taona ___________________Daty nahaterahana_______________

VOADYNoho ny fahasoavan’ Andriamanitra,

Sitrako ny ho madio, ho maha teho tia sy ho mahatoky.Sitrako ny hitandrina ny lalàn’ny MpisavalalanaSitrako ny ho mpanompon’ Andriamanitra sy ho sakaizan’ny olona rehetra

NY LALAN’NY MPISAVALALANA AMIKO DIA:

1. Mandinika ny fiambenana maraina2. Manao ny anjarako am-pahatokiana3. Mikarakara ny vatako4. Mijery olona manatrika tsara5. Mahalala fomba sy mankatò6. Mamindra moramora ao am-piangonana7. Mihira mandrakariva ao am-po8. Mikarakara ireo raharahan’Andriamanitra

Manana fanamiana mianjaika aho Eny TsiaManana fanamiana fitondra an-tsaha aho Eny Tsia.

FANKATOAVAN’NY RAY AMAN-DRENY SY NY MPITAIZA

Voavakianay ny zavatra takiana mba haha-mpikambana ao amin’ny fikambanan’ny Mpisavalalana ary ambaranay etoana fa ______________(anaran’ilay ankizy) dia nahatratra ny faha-folotaonany na mihoatra. Koa vonona sy maniry ny hahatonga azy ho Mpisavalalana izahay.

Eo am-pandinihana ny tombontsoa avy amin’ny maha-mpikambana, indro izahay manaiky an-tsitrapo ka tsy hitaky na inona na inona amin’ny fikambanana na amin’ny Federasionan’ny fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito _(anaran’ny Federasiona)__________ ny amin’izay mety ho loza misy ifandraisana amin’ny fihetsiketsehan’ny Mpisavalalana. Amin’ny maha ray aman-dreny/mpitaiza anay dia tsapanay fa ny fandaharan’asan’ny fikambanana dia mampavitrika ny ankizy hangataka hiditra ao. Ao anatiny ny tombontsoa maro azo hararaotina mba hanompoana sy hanaovana vy very ary ny mahafinaritra. Hiara-miasa izahay amin’ny alàlan’ny :

Fianarana ny fomba hanampianay ny ankizy hangataka hiditra ho mpikambana sy ny mpitarika

Famporisihana ny mpangataka ny handray anjara mavitrika amin’ny fihetsehana rehetra. Fanatrehana ireo toe-javatra izay hanasana ny Ray aman-dreny Fanampiana ny mpitarika ny fikambanana sy ny fitarihana raha antsoina hanao izany. Fividianana ny fanamian’ny Mpisavalalana sy ny fandoavana ny fiantohana any amin’ny

mpitahiry vola.

Filoha mpitarika aho: Ray Eny Tsia  ; Reny Eny Tsia

Efa niasa niaraka tamin’ny Mpisavalalana tamin’ireto fihetsehana manaraka ireto aho : ____________________________________________ ______________________________

Vonona ny hanampy ny fikambanana Mpisavalalana aho amin’ny alàlan’ny fampianarana na fanampiana araka izao fomba manaraka izao: _________________________________________________________________________________________________________________________________ __________________ __________________(Sonian’ny Ray/Mpitaiza) (Daty) (Asa atao)

________________ __________________ ______________ (Sonian’ny Reny) (Daty) (Asa atao)

45

Taratasy mialohan’ny fisoratana anarana

TALEN’NY FIKAMBANANA MANKANY AMIN’NY MPISAVALALANA(Mampiasa taratasy misy ny anaran’ny fiangonana)

( Daty)________________

______________________________ malala(Anaran’ilay mety ho Mpisavalalana)

Nodinihana ny anaranao mba haha-mpikambana anao ao amin’ny fikambanana _______________________(Anaran’ny fikambanana)

Ny fotoana fanoratana anarana ho an’ny mpikambana vaovao dia amin’ny ______________________________( Ora, daty, toerana )

Raha mandinika ireo famphafantarana miraka amin’ny taratasy mikasika ny programan’ny fikambananay ianao, dia fantatro fa ho faly ianao ny ho anisan’ny mpikambana. Indreto zavatra vitsivitsy ilainao ho fantatra:

1. Ny haha-mpikambana ao amin’ny fikambanana dia indray mandeha isan-telovolana ihany no misokatra ho an’ny mpikambana vaovao.

2. Mba ahafahanao ho mpikambana dia ilaina ny fahatongavan’ny tenanao miaraka amin’ny taratasy fangatahana ho mpikambana sy ny iray amin’ny ray aman-dreninao amin’ny takariva fisoratana anarana.

3. Hamporisihana ianao hanasa ny namanao ihany koa ho mpikambana ao amin’ny _____________________

(anaran’ny fikambanana)

Mahafaly ahy ny milaza aminao fa manana mpanolo-tsaina ny fikambanana Mpisavalalana izay maniry ny hanana fotoana mahafinaritra miaraka amin’ny tanora tahaka anao. Raha afaka ny hanampy anao aho hamaly ireo fanontaniana dia aza misalasala miantso ahy. Ity no laharana an-tariby ahazoana ahy ____________. Manantena ny hahita anao amin’ny takariva fisoratana anarana aho.

Ny namanao sady tale,

Ny Talen’ny fikambanana

46

NAOTY: Ampiarahina amin’ny taratasy ireto manaraka ireto:

1. Ny fandaharan’asan’ny fikambanana ao anatin’ny telovolana sy fanoritsoritana ny enim-bolana manaraka.

2. Taratasy fisoratana anarana ho ao amin’ny fikambanana3. Fampahafantarana mikasika ny fanamiana4. Ny fitsipika sy fenitry ny fikambanana5. Saram-piantohana6. Saram-pidirana ao amin’ny fikambanana

a. Latsak’emboka ______ariary isan-taona, aloa isan-kerinandro, isam-bolana, isan-telovolana.

b. Saram-pisoratana anarana:_______Ariaryd. Fiantohana:____________Ariary

47

Taratasy fisoratana anarana mialoha

TARATASIN’NY PASITORA MANKANY AMIN’NY RAY AMAN-DRENY

(Mampiasa taratasy misy anaran’ny fiangonana)

_________________________(Daty)

________________________________________________________________(Anarana)

________________________________________________________________(Adiresy)

Ry__________________________________malala

Tombontsoa ny mitandrina fiangonana iray izay mahatsapa andraikitra hanampy anao hanomana ny zanakao any amin’ilay fonenana miaraka amin’ilay Raintsika any an-danitra.

Manana tanjona iray ny talen’ny fikambanana Mpisavalalana sy ny mpiara-miasa aminy amin’ny fiasana amin’ny zanatsika. Maniry ny hanampy amin’ny fitarihana azy ireo ho amin’ny fanandramana lalindalina kokoa amin’ny Jesosy Kristy izy ireo. Amin’ny fampandraisana anjara ny tanora amin’ny fandaharan’asa efatra lafy: ara-panahy, ara-tsaina, ara-batana ho fiala-mboly ary amin’ny fihetsehana ara-piaraha-monina, dia miezaka izy ireo hanampy amin’ny fitarihana azy ireo amin’ny fampivelarana ny toetrany. Mila ny vavaka avy aminareo sy ny fiaraha-miasa am-pitiavana amin’ny maha ray aman-dreny anareo izy ireo hahatratrarany izany tanjona izany.

Ny takariva fisoratana anarana dia amin’ny ____________(andro) hariva ______(daty)__________(fotoana), ao amin’ny________________(toerana).Mihevitra ny hanoratra an’i ________________(anaran’ilay ankizy) hianareo, sa tsy izany? Miandry fatratra anareo miaraka ao aho.

Aoka ho tsaroantsika ny teny fampanantenan’Andriamanitra, «Zaro amin’ny làlana tokony halehany ny zaza, fa rehefa antitra aza izy dia tsy hiala amin’izany. »

(Ohabolana 22 : 6)

Ny Rahalahinareo ao amin’i Kristy,

Ny mpitandrina

48

FANAMIANA

Ny fanamian’ny Mpisavalalana dia manampy amin’ny fanaovana ny fandaharan’asany ho tena zava-misy sy hita maso. Tandindona sy maneho ny idealy sy fenitry ny fikambanana manerana izao tontolo izao. Ny mpikambana tsirairay dia manjary ho tena solontenan’ny fandaminana, ary ny fanaovana fanamiana dia hanampy amin’ny fanomezana fahatsapana ny maha-ao anatina fikambanana iray izay maneho marina ny tanora advantista ankehitriny. Raha hanaovana toy ny fitafiana tsotra ny fanamiana dia tsy ho nahomby tamin’ny tanjona kendreny.

Tokony ho madio sy milamina mandrakariva ny fanamiana. Mampidina ny fahamendrehany ny fanaovana azy amin’ny lalao sy ny asa tsotra. Tokony ho tena manana ny lanjany amin’ny Mpisavalalana tsirairay ny fandaharan’asan’ny Mpisavalalana mba hahatonga ny fanamiana hiraisina sy hanaovana amim-pahazotoana.

Amporisihana ny hanaovana fanamiana amin’ireto toe-javatra manaraka ireto: Amin’ny fivoriana rehetra ataon’ny Mpisavalalana Amin’ny fivoriana rehetra imasom-bahoaka raha toa ka misy na ny rehetra no manao:

Mpitondra hafatra Mpampandroso olona Mpiambina manam-boninahitra Milahatra amin’ny toerana andalovan’ny manam-boninahitra Amin’ny fotoana rehetra lazain’ny talen’ny fikambanana. Amin’ny fotoam-pivavahana manokana ataon’ny Mpisavalalana. Rehefa manao asa fijoroana vavolombelona, na asa atao ho an’ny fiaraha-monina toy ny

fizarana Raki-pararano, fizarana sakafo, voninkazo, literatiora, sns.

Ny fanamiana dia tsy tokony hanaovan’ny: Tsy mpikambana Rehefa mivarotra na mangataka vola ho tombotsoan’ny tena manokana, na fikendrena ara-

barotra na ara-politika Amin’ny fotoana na toerana rehetra izay miteraka fanaovana tsinontsinona ny

fandaminana na mahatonga ny olona hieritreritra ny mikasika ny fanamiana izay hampidina ny fahamendrehany sy tombam-bidiny, ary hahatonga azy ho efa mahazatra ny maro.

FANAFARANA Ny fanamian’ny Mpisavalalana dia hafarana any amin’nyFANAMIANA _______. Ny mpitantsoratry ny fikambanana no tokony ho

tompon’andraikitra amin’ny fanafarana ny fankasitrahana sy ny marika famantarana.

NY FANAMIANA Ny diviziona tsirairay no hamaritra ny fitsipika mahazatra sy mety ary ny fomba harahina.

FANAMIANA Tokony ho ao anatiny ny sary faneva famantarana manerana FOTOTRA an’izao tontolo izao sy ny foloaran’ny Mpisavalalana. Ny

marika famantarana hafa sy ny fomafomban’ny fanamiana hafa dia faritan’ny Diviziona tsirairay amin’ny fitazonana izay ara-dalàna sy mifanaraka amin’ny toe-bolan’ny saha eo ambany fiadidiany.

49

NY MARIKA Na dia samihafa araka ny faritra aza ny fanamiana na FAMANTARANA amin’ny firenena manerana izao tontolo izao, ny marika famantarana sy ny toerana hametrahana azy dia mitovy manerana izao tontolo izao. Ny famolavolana sy ny fametrahana ny toerany sy/na ny fiasana hanova na hanampy dia andraikitry ny Talen’ny Departemantan’ny Tanora ao amin’ny Foibe maneran-tany rehefa avy nidinika tamin’ny ao amin’ny Diviziona. Ny fikambanana, Federasiona, na Fivondronam-be na ny Diviziona dia tsy afaka manao zavatra manokana ho azy na fanovàna raha tsy nahazo alàlana mazava tsara avy tany amin’ny Foibe maneran-tany.

Mizara roa ny marika famantarana:

1. Ny marika famantarana ny fandaminana misy an’ilay olona.

2. Ny marika famantarana ny kilasim-pandrosoana vita, ny toerana tanana, ireo zava-bita manokana teo amin’ny asa fanompoana na fitondrantena.

Ireto manaraka ireto ny famariparitana sy ny toerana ofisialy hametrahana ny marika famantarana ny Mpisavalalana.

Marika famantarana Io no famantarana maneho ny fikambanana MpisavalalanaTelozoro(emblème) Ilay telozoro 5sm dia atao eo amin’ny satroka. Fa ilay

Telozoro 7,5 sm amin’ny teny eo an-toerana dia hatao eo amin’ny tanan’akanjo havanana.

Anaran’ny Hanaovana eo amin’ny tanan’akanjo havanan’ny lobaka naFikambanana blozy, na palitao, 1,2 sm eo ambanin’ny zaitra eo amin’ny

soroka. Hanaovana eo ambonin’ny anaran’ny Staff sy ny telozoro eo amin’ny tanan’akanjo havanana.

Ny andraikitra Ny mpandrindra ny faritra, talen’ny fikambanana, tale lefitraAmin’ny maha-Staff mpampiananatra, mpanolo-tsaina, sy tanora zokiny mpanolo-

tsaina dia afaka manao ny marika famantarana ny toerana misy azy. Eo ampovoany amin’ny ambanin’ny anaran’ny fikambanana, 5sm eo ambanin’ny zaitra eo amin’ny soroka ary 0,8 sm ambonin’ny telozoro eo amin’ny tanan’akanjo havanana.

Ny marika famantarana Ilay famantarana boribory lavalava, misy ny telozoron’nyManerana izao tontolo Mpisavalalana dia maneho ny maha manerana izao tontolo izao Izao(emblème) ny fandaminana ny fikambanan’ny Mpisavalalana ao amin’ny

fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito. Hanaovana eo amin’ny tanan’akanjo havia amin’ny lobaka na blozy, na palitao fohy fanamiana. 1,2 sm eo ambanin’ny zaitra eo amin’ny soroka no hametrahana azy.

Foloaran’ny Mavomavo ny lokony misy ny logo marika famantarana ny Mpisavalalana fikambanana Mpisavalalana manerana an’izao tontolo izao ao

aoriana. Misy ihany koa ny famatorana azy (bague) izay azo isafidianana.

Foloaran’ny Miloko mavomavo miaraka amin’ny haingony manambara ny

50

Filoha mpitarika maha-filoha mpitarika ery amin’ny tendrony ambany. Ny famatorana azy mampiavaka ny filoha mpitarika sy ny haingony maroloko dia atao amin’ny foloara.

Marika hamantarana Ny marika famantarana ny fandrosoana dia atao eo amin’nyNy kilasim-pandrosoana tanan’akanjo havia eo ambanin’ny marika famantarana ny

(chevrons) Mpisavalalana manerana an’izao tontolo izao. Ny filaharany avy any ambony mankany ambany dia filoha mpitarika, mpitarika, mpandeha lavitra, mpamaky lay, mpanazava, namana, sakaiza. Ny olona rehetra (ao anatin’izany ny filoha mpitarika) dia tokony ny kilasim-pandrosoana nomena azy ihany no anaovany.

Ny kintan’ny Ny kintana volamena notenomina dia hanaovana eo amin’nyFiloha mpitarika tanan’akanjo havia. Rehefa vita ny kilasim-pandrosoana rehetra

sy ny fampianarana filoha mpitarika, dia azo hanaovana ny kintan’ny Filoha mpitarika sy ny hafa rehetra.

Ny kilasim-pandrosoana Eo amin’ny lanonana fanokanana amin’ny toerana ho an’nyBokotra (pins) kilasy tsirairay, ny Mpisavalalana dia mahazo bokotra

fankasitrahana hatao eo amin’ny fanamiana. Azo hanaovana eo ampovoany ambony manaraka paosy havia. Ny bokotra filoha mpitarika dia tokony hapetraka eo ampovoany amin’ny farany ambony ary milahatra eo ambany ny kilasim-pandrosoana hafa nomena azy na afaka misafidy ny hanao ny bokotra filoha mpitarika fotsiny ihany ny filoha mpitarika.

Ny kilasim-pandrosoana Atao eo ampovoany ambonin’ny paosy ankavian’ny lobaka naeo amin’ny paosy(galon) blozy na palitao fohy ny bandy mirakitra ny kilasim-

pandrosoana ambony indrindra eo amin’ny Mpisavalalana izay nomena azy. Tokony hitovy tantana amin’ny farany ambony amin’ny paosin’ny lobaka na blozy.

Ribàn’ny kilasim-pandro- Anaovan’ireo izay efa nahavita ny zavatra takiana ihany, atao eosoana lalindalina kokoa amin’ny ilany havia amin’ny lobaka na ny blozy eo ambonin’ny

kilasim-pandrosoana eo amin’ny paosy.

Ribàn’ny Fahatsarana Anaovana eo amin’ny ilany havia amin’ny lobaka na blozyIndrindra ambonin’ny paosy. Tsy maintsy atao eo ambonin’ny galona eo

amin’ny paosy na ny Ribàn’ny kilasim-pandrosoana lalindalina kokoa mandrakariva izy.

Ny marika famantarana Hanaovan’ny kapiteny sy ny lefiny eo amin’ny samboady na eoNy kapiteny sy ny ambonin’ny paosy havanana amin’ny lobaka na blozyMpitantsoratra

Samboadin’ny Anaovana eo ambonin’ny soroka havanana, ambanin’ny foloara,Asa manavanana mankany ambanin’ny tanana havanana, ny tendrony ambany

amin’ny samboady dia mijanona eo amin’ny ilany havia amin’ny tena. Natao ho fanantonana (fametahana) ny mari-boninahitra sy ny asa manavanana ary ireo zavatra hafa rehetra azon’ilay mpisavalàlana. (Tsy tafiditra ao anatiny ny resaka momba ny fandraharahana ara-barotra)

Kintan’ny Azo avy any amin’ny filohan’ny departemantan’ny tanora avy

51

Fanompoana any amin’ny Federasiona. Azo hanaovana eo ampovoan’ny Ho an’ny Staff tanan’akanjo havanana io kintana notenomina io. 8mm

ambanin’ny tendron’ny famantarana telozoro 7,5 sm. Azo hanaovana eo amin’ny paosy ankavia ny kintana metaly. Kintana iray ihany izay misy ny isan’ny taona nanompoana azo hamarinina no tokony hanaovana. Ny kintan’ny fanompoana dia omen’ny federasiona isan-taonaizay mitana an-tsoratra ny taona nanompoana.

Ny Epôlety, galona Ny epôlety maitsomaitso dia azon’ny Mpisavalalana zatovo,

Kintan’ny laharana mpanolo-tsaina tanora zokiny sy mpanolo-tsaina ary mpampianatra hanaovana. Ny galona volamena na kintana dia hanampy isaky ny ambaratonga fitarihana ao amin’ny Federasiona.

52

53

Marika famantaranaTANAN’AKANJO HAVANANA

54

55

MARIKY NY FEDERASIONA

SAINAM-PIRENENA

56

MARIKY NY FEDERASIO

NA

MARIKY NY FEDERASIO

NA

SAINAM-PIRENENA

SAINAM-PIRENENA

MARI-PANKASITRAHANA TSARA INDRINDRA(Ribàn’ny Toetra Tsara teo aloha)

TANJONA Na dia natao hanampiana ny tanora hankasitraka ny tombam-bidin'ny fandraisana anjara ao amin'ny tarika no fototra hiaingan’ny Mpisavalalana, dia tsy tokony ho adino fa misy fijerena ny fivelaran’ny tanora amin’ny maha-isam-batan’olona azy. Tena zava-dehibe hiankinan’ny fianarana ny hakanton’ny fiaraha-miasa izany, izay akora ilaina amin’ny famolavolana kristiana voalajalanja tsara.

Ny mari-pankasitrahana tsara indrindra ao amin’ny Mpisavalalana dia nampiroboroboana mba hankasitrahana ny zava-bitan’ny tsirairay mandritra ny taona iray. Tahaka ny fametrahana ireo kilasim-pandrosoana na asa manavanana na mari-boninahitra, ny mari-pankasitrahana tsara indrindra dia tokony hankasitrahana ireo izay nahatratra ny fenitra ambony ny fahombiazana ao amin’ny Mpisavalalana ihany arak’ireo fepetra voasoritra.

FOMBA Eo am-pamaranana ny taonan’ny Mpisavalalana, ireo komityFIFIDIANANA mpanatanteraky ny Mpisavalalana no miasa ho tarika mifidy ny

mari-pankasitrahana ao amin’ny fikambanany. Hampitaha ireo firaketana ny zava-bitan’ny Mpisavalalana tsirairay izy amin’ny zavatra takiana mba hamantarana ireo izay mendrika izany mari-pankasitrahana izany.

NY ZAVATRA Ireto zavatra takiana manaraka ireto dia tsy maintsy hampiharin’TAKIANA ny komity mpanatanteraka ao amin’ny Mpisavalalana rehefa

manapa-kevitra raha toa ka omena ny mari-pankasitrahana Tsara indrindra ny mpikambana iray: Ilay Mpisavalalana dia :

1. Mpikambana mavitrika nandritra ny roa taona na mihoatra tao amin’ny fikambanana Mpisavalalana.

2. Ohatra amin’izay zavatra takiana amin’ny fanamiana, ara-potoana amin’ny fivoriana rehetra, ary miasa amim-pahavitrihana amin’ny maha-mpitarika ao amin’ny sokajy.

3. Mino sy miaina ny Voady sy Lalànan’ny Mpisavalalana. Maneho fanajana ny idealin’ny Mpisavalalana ary mihazona azy ireny ho toy ny voninahitra masina.

4. Manaiky amim-pahavononana ny andraikitra nomena ary maneho fahaizana mandray fanapahan-kevitra sy fitarihana amin’ny fanatanterahana azy ireny amin’ny ezaky ny tenany na ny ekipa.

5. Mitandrina ireo fitaovan’ny tenany manokana ho tsara arak’izay azo hatao.

6. Mifandray amin’ny karazan’olona rehetra sy ny tarika iray manontolo amin’ny fomba mahasoa.

7. Mahatanteraka isan-taona ny kilasim-pandrosoana ary mahazo ireo asa manavanana atolotra.

57

RAHOVIANA ARY Ny mari-pankasitrahana faratampony dia tsaratsara kokoa rahaIZA NO ANEHOANA atao amin’ny Andron’ny mpisavalàlana ao amin’ny fiangonanaNY MARI- amin’ny fampilaharana ireo mpitarika na amin’ny lanonana PANKASITRAHANA fanokanana (investiture) ireo mpitarika na amin’ny fihaonam-be

ataon’ny mpitarika ny tanora ao amin’ny Federasiona na ny tsenaben’ny Mpisavalalana.

AHOANA NO TOKONY Ambonin’ny mari-pankasitrahana ribà amin’ny kilasy lalinda-HANAOVANA AZY lina kokoa, ary mandritra ny taona manaraka ny fanehoana ny

mari-pankasitrahana. Raha toa ka tsy lany indray ilay Mpisavalalana dia tsy maintsy hapetraka ao amin’ny boky firaketan’ny Mpisavalalana izany. Mandritra ny taona fankasitrahana ihany no hanaovana ny mari-pankasitrahana.

FANOMEZANA FAHAMENDREHANA

FILOZOFIAN’NY Ny tanjona farany amin’ny fisavanalàlana dia ny hanomana nyFAHAMENDREHANA tovolahy sy tovovavy ho amin’ny fiavian’ny Tompo. Ny zavatra

rehetra izay mampiala amin’izany tanjona izany dia tsy feno. Ny hevitra tsara rehetra, ny zavatra volavolaina rehetra, na ny fomba fiasa rehetra ho fandaharan’asa hampianarina ao amin’ny fikambanana Mpisavalalana dia tokony hanampiana ny fampivelarana ny maha-izy azy ny tsirairay sy ny toetrany. Ny faritra iray matetika tena hatao tsinontsinona, kanefa tena fototra ilaina amin’ny fampivelarana ny maha-izy azy ny tsirairay sy ny toetrany dia ny fampiharana ny fitsipi-pifehezana na ny fifehezan-tena. « Ny loza lehibe indrindra mandindona ny tanora », hoy ny anabavy White, « dia ny tsy fahampian’ny fifehezan-tena . » Counsels on diet and Foods, P.243

Ny fanomezana famendrehana dia tsy hampivelatra ny maha-izy azy sy ny Toetrany fotsiny ihany fa mitarika ihany koa ny zatovolahy sy zatovovavy ho amin’ny fifandraisana ara-dalàna amin’ny hafa amin’ny alàlan’ny fampiharana ny fifehezan-tena. Mampianatra azy hampitaha ny tenany amin’ny filamatra fa tsy amin’ny hafa. Hanampy azy hianatra ny maha-zava-dehibe ny fankatoavana ny lalàn’ny natiora sy ny lalàna moraly eo amin’ny fiainana ary ny hampihatra ny fifehezan-tena hentitra amin’ny fifandraisany amin’izy ireo.

Tiantsika rehetra ny homena valisoa ny amin’ny ezaka ataontsika eo amin’ny fiainana. Tsara ny valisoa tsy misy fitiavan-tena tanteraka sy azo nefa tsy niteraka fatiantoka na alahelo tamin’ny hafa. Ny fanomezana fahamendrehana dia fanomezana valisoa, mari-boninahitra tamin’ny fivoahana na fanehoana fahasahiana na vy very manokana ho an’ny tovolahy st tovovavy izay nahavita 75% na mihoatra ny totalin’ny isa mety ho azo mandritra ny fe-potoana, ohatra enim-bolana; (Ny fotoana sy ny isan-jato dia azo amboarina arakarak’izay ilaina sy irian’ny eo an-toerana. Midika izany fa ny rehetra dia afaka ny

58

ho mpandresy. Tsy fikasan’Andriamanitra mihitsy ny hisian’ny resy fa mba ho mpandresy avokoa ny rehetra.

Tian’ny tovolahy sy ny tovovavy ny manao fihaikana. Matetika malaindaina izy ireo ny hirotsaka an-tsehatra raha tsy aseho azy ireo ny valisoa. Rehefa mirotsaka an-tsehatra indray mandeha izy, dia mitombo ny fitiavany ny firahalahiana sy ny fihaikana ary, mandray anjara izy tsy nohon’ny valisoa intsony fa nohon’ny fifaliana nandramany, ary amin’izany no hanokafana ny varavarana amin’ny fampivelarana ny toetra.

Ireto lisitra manaraka ireto no tombontsoa amin’ny fanomezana fahamendrehana:

1. Ny fanomezana fahamendrehana dia mihaika ny fandraisana anjara sy ny firotsahana an-tsehatra.

2. Manampy amin’ny fivelaran’ny maha-izy azy sy ny toetrany.

3. Manantitrantitra ny maha-zava-dehibe ny andraikitry ny tsirairay.

4. Mianatra ny mifaninana amin’ny filamatra ny Mpisavalalana fa tsy amin’ny namany.

5. Ny fanomezana fahamendrehana dia mampivelatra ny fiaraha-miasa sy ny fandrindrana fa tsy ny fifaninanana.

6. Manolotra valisoa mahasoa sy ara-drariny ireo izay nihezaka ny ho tsaraindrindra amin’ny alàlan’ny fanapaha-kevitry ny tenany.

7. Mampivelatra ny toe-tsaina mahafehy tena, ary amin’izany no hanampiana ny fahazoana antoka ny fifehezana tsara ao amin’ny rivo-piainan’ny fikambanana.

FANOMEZANA ISA FAHAMENDREHANATsy ny fanatrehana, ny fanamiana sy ny latsak’emboka ihany no mety hahazoana ny

isa fahamendrehana fa ny zavatra maro hafa koa izay faritan’ny komity mpanatanteraka ao amin’ny fikambanana. Fahendrena ny manaraka ny fitsipiky ny tsy fanomezana ny Mpisavalalana isa amboniny amin’ny zavatra rehetra ataony. Amin’ny toe-javatra maro dia tsy ilainy akory ny mahafantatra fa hahazo isa izy raha tsy aorian’ny nandraisany anjara.

Ny mpikambana ao amin’ny Mpisavalalana rehetra dia handray anjara amin’ny drafitra fanomezana isa fantatra amin’ny hoe « Programa Fahamendrehana »

Ny mpikambana tsirairay dia hahazo sandan’isa 0 ka hatramin’ny 10 ho amin’ny fanamiana ara-dalàna, fahadiovana, sy ny fitandremana ao amin’ny sokajy.

Hahazo isa 10 amin’ny fanatrehana ara-potoana Ho very ny isa 6 isaky ny fahatarana tsy misy fialàn-tsiny. Mety hahazo isa fanampiny nohon’ny fanampiana mahasoa ny fikambanana na ny

fitarihana. Hahazo isa 0 ka hatramin’ny 15 amin’ny fandraisana anjara ao amin’ny fikambanana

(ny tsi-fankatoavana, ny fitabatabana, ny tsy fahalàlana fomba, sns dia hojerena tsara). Fanehoana velona ny Lalàn’ny Mpisavalalana izany.

59

Misy valisoa amin’ny fahatratrarana isan-jaton’isa voafaritra ho an’ny tsirairay sy ny sokajy.

Ny isa ampiasaina dia azon’ny komity mpantanteraka faritana Ireo isa natolotra eo ambony ireo dia omena amin’ny fivoriana ofisialin’ny

fikambanana arak’izay nolazaina ao amin’ny fandaharam-potoana mandritra ny taona sy roa herinandro mialohan’ny fanombohan’ny telovolana vaovao.

FITSIPIKA AMIN’NY ANKAPOBENY1. Ny mpikambana dia hapetraka aoamin’ny sokajy misy mpikambana 6 ka hatramin’ny

8 ary hantenaina ny hiarahany miasa amin’ny mpanolo-tsaina kapiteny, mpitan-tsoratra sy ny mpikambana hafa.

2. Tsy handao ny fivoriana ny mpikambana raha tsy nahazo alàlana tamin’ny Tale.3. Handrasana ny handraisan’ny mpikambana anjara amin’ny fanzaran-tena ary hianatra

amin’izany ny asan’ekipa, fandrindrana, fahitsiana, ary fanajana.4. Andrasana amin’ny mpikambana ny hividy fanamiana ara-dalàna amin’ny fotoana

anaovana ny lanonanana handraisana azy ho mpikambana (induction).5. Hamoaka ny marika famantarana mitovy hanaovan’ny mpikambana ny fikambanana

Mpisavalalana eo an-toerana.6. Ny fanovàna rehetra eo amin’ny fitsipika filamatry ny fikambanana dia tsy maintsy

ankatoavin’ny komity mpanatanteraka, ary avy eo anaovana tatitra any amin’ny komitin’ny fiangonana mpanohana sy ny ray aman-drenin’ny Mpisavalalana.

TSY FAHATONGAVANA, FAHATARANA, NY FAMERENAM-BOLA

Ireo fitsipika ireo dia natao hanatsarana ny fandaharan’asan’ny Mpisavalalana. Ary koa ireo fitsipika ireo, miampy ny filamatry ny fikambanana eo an-toerana, no manampy ny fianakaviana sy ny fiangonana eo an-toerana hanome sanda ny maha-mpikambana ao amin’ny fikambanana Mpisavalalana.

Ireo Mpisavalalana mbola taonan’ankizy izay maniry ny hirotsaka ao amin’ny fikambanana dia tsy maintsy mameno ny taratasy miaraka amin’ny Ray aman-dreniny/mpitaiza.

Amin’ny takariva fisoratana anrana, rehefa averina any amin’ny tale ny taratasy fangatahana dia tsy maintsy aloa ny saram-pidirana. Zavatra telo ny ao anatin’ny saram-pidirana: Ny latsak’emboky ny fikambanana, ny fiantohana, sy ny saram-pisoratana anarana. Amin’ny toerana sasany ny latsak’emboka dia raisina isan-kerinandro fa tsy amin’ny takariva fisoratana anarana fotsiny ihany.

Ny resaka momba ny tsy fahatongavana, fahatarana, sy ny fialana tsy ho mpikambana. Ho amin’ny fahatarana tsy misy fialan-tsiny rehetra dia sazy isa 6 Ny tsy fahatongavana tsy misy fialan-tsiny rehetra dia raketina sy hangonina ao

anatin’ny telovolana iray. Aorian’izay dia tsy isaina amin’ny firaketana ny an’ilay Mpisavalalana intsony. (Jereo Fizarana B : Fitantanana – Fihazonana ny klioba)

Mihantona ilay mpikambana aorian’ny tsy fahatongavana tsy misy fialàn-tsiny in-telo amin’ireo fandaharam-potoana (Aparitaka sy azon’ny rehetra jerena sy hananana mandritra ny takariva fisoratana anarana.) Ny tsy fahatongavana azo ekena dia faritan’ny komity mpanatanteraka ary ho ao anatin’izany ny tsy fahasalaman’ilay Mpisavalalana, olana eo amin’ny fitaterana, sy ny tsy maha-eo an-toerana toy ny fialan-tsasatry ny fianakaviana. Ny mpikambana nahantona izay maniry ny hiditra indray ao amin’ny fikambanana dia afaka manao izany (a) amin’ny takariva fisoratana anarana manaraka, izay mazàna amin’ny fanombohan’ny telovolana manaraka (b)

60

Amin’ny fandoavana ny saram-pisoratana anarana indray. Tsy azon’ny Mpisavalalana ihany koa ny mari-pankasitrahana sisa maneho ny zava-bitany.

Rehefa mandao ny fikambanana ny mpisavalàlana iray na inona na inona antony, dia averina aminy arak’izao manaraka izao ny saram-pisoratany anarana:

Herinandro ka hatramin’ny 5 herinandro 50%6 herinandro na mihoatra 0%

TAKELAKA FANOMEZANA ISA FAHAMENDREHANAMODELY A

Anaran’ny sokajy______________________ Laharana faha____________

Mpanolo-tsaina________________________ Kapiteny ________________

Daty________________________________

Anarana

1. Kapiteny_________________________________________________________________

2. Mpitantsoratra____________________________________________________________

3. ________________________________________________________________________

4. ________________________________________________________________________

5. ________________________________________________________________________

6. ________________________________________________________________________

7. ________________________________________________________________________

8. ________________________________________________________________________

TATITRY NY TARIKA

61

MODELY B

Fikambanana___________________________ Tarika___________________Taona ____________________________ Telovolana_______________Mpanolo-tsaina_____________________

Kapiteny:…………………………………………………………………….

N° Anaran’ny mpikambana Taona Grady 1 2 3 4 512345678

Code : P= Tonga ; T= Tara ; A=Tsy tonga

Haitao_______________________________________________________(Ambonin’izay hampianarina ao amin’ny fivoriana)

Asa manavanana_______________________________________________(Vitainy araka ny fotoanany)

Fihetsehan’ny tarika isam-bolana__________________________________

Zavatra mahaliana_______________________________________________

Daty nandraisan’ny mpanolo-tsaina____________Sonian’ny kapiteny______

62

MODELY D

Fikambanana________________________ Tarika__________________Taona______________________________ Telovolana_______________Anarana_________________________________________________________

FANATREHANA

*ZNF Volana voalohany__________Ara-potoana____________________Volana faharoa____________Latsak’emboka__________________Volana fahatelo___________ Fanamiana____________________Volana fahefatra___________ Toe-tsain’ny

Tena manokana momba ny fikambanana__________

___________________________________________________________

Mpanolo-tsaina____________________________Kapiteny__________________________________Mpitantsoratra______________________________

Totaliny______________________________

FANATREHANA

*ZNF Volana voalohany__________Ara-potoana__________________Volana faharoa____________Latsakemboka_________________Volana fahatelo____________Fanamiana____________________Volana fahaefatra__________ Toe-tsain’ny

Tena manokanamomba ny fikambanana________

___________________________________________________________

Mpanolo-tsaina____________________________________Kapiteny_________________________________________Mpitantsoratra_____________________________________

Totaliny_____________________________________

*ZNF=Zarao Ny Finoanao

63

NY LAFINY ARA-BOLANY ILANA Raha natao hanomezana karazam-piofanana mety ho an’ny tanoran’nyNY LAFINY fiangonana ny fikambanana Mpisavalalana dia tsy maintsy mananaARA-BOLA fitaovana izay ilaina hanamora sy hahatonga ny programa ho manintona.

Mazava ho azy fa misy resaka fandaniana be tafiditra ao amin’ny fampandehanana ami-pahombiazana ny fikambanana Mpisavalalana. Tsy afaka ny hivoaka velona ny fikambanana raha tsy misy fitantanana amim-pitandremana ny vola eo an-tanana sy drafitra ara-dalàna mandritra ny taona. Tokony homanina ami-pitandremana tsara ny teti-bola, miaraka amin’ny fanampian’ny Staff, ary atolotra ny komity mpanatanteraka sy ny komitin’ny fiangonana mba ho ankatoaviny. Fanangonam-bola mahomby sy fanentanana mavesa-danja eo anivon’ny fiangonana no ilaina mba hitazomana ny fanohanana ara-bola sy ny fahazotoana. Tokony hisy fitandremana manokana omena mikasika ny fizarana sy ny fitantanana ny vola.

Tokony hifidy mpitahiry vola ny fikambanana, matetika ny filoha lefitra. Hnadefa ny vola rehetra azon’ny fikambanana any amin’ny mpitahiry volan’ny fiangonana ny mpitahiry vola.. Hahazo rosia ny fikambanana ary hamarinina ny bokin’ny fiangonana, izay hanoma fiarovana ny mpandraharaha ao amin’ny fikambanana.

Tokony hanontany ny mpitahiry volan’ny fiangonana ny mpitahiry volan’ny fikambanana ny totalin’ny vola lany tsikelikely. Ireny vola ireny dia tokony ho kajiana miaraka amin’ny rosia manohana azy.

Any amin’ny faritra izay fiangonana maromaro no mamorona fikambanna tokana, dia manendry mpitahiry vola hiasa ao amin’nio fikambanana mivelatra io. Io mpitahiry vola voafidy io no mitazona ny volan’ny fikambanana rehetra. Ny mpitahiry volan’ny fiangonana mandray anjara dia alefa avokoa any amin’io mpitahiry volan’ny fikambanana io. Hamarinina indray mandeha isan-taona ny bokin’ny fikambanana, ary amin’izany no hiarovana ireo mpandraharaha ao amin’ny fikambanana.

FIDIRAM-BOLAN’NYFIKAMBANANA

1. Ny saram-pidirana ho mpikambana isan-taona

Ny mpikambana rehetra dia tokony ho antenaina handoa vola kely isakiny Mpisavalalana isan-taona ho toy ny anisan’ny adidy amin’ny maha-mpikambana. Tsy tokony havesatra izany fandraisana anjara izany. Tsy tokony hiteraka eritreritra ny handà ny tombontsoa tsy ho mpikambana izany, kanefa ny mpikambana tsirairay dia tsy maintsy mahatsapa fa ny zavatra rehetra misy dikany dia misy sandany.

64

2. Fanampian’ny fiangonanaNy fiangonana dia tsy maintsy mampiditra ao anatin'ny teti-bolany ny fikambanana Mpisavalalana. Ireo fiangonana izay mahatsapa fa ny fampandehanana ny fikambanana tsara iray dia misy lanjany lehibe eo amin’ny programan’ny fiangonana manontolo ary ho vonona ny handray anjara ara-bola amim-pahatokiana amin’ny fandanian’ny fikambanana.

3. FanatitraHanaovana fanatitra aimin’ny Sabatan’ny Mpisavalalana. Izany fanatitra izany dia natokana ho amin’ny tetik’asa manokan’ny fikambanana arak’izay voafaritra ao amin’ny teti-bola.

4. Fanohanan’ny mambran’ny fiangonanaFomba iray azo atao hanohanana ara-bola ny tetik’asa manokana sy hanangonam-bola izany. Azo atao ny mandresy lahatra ny mambran’ny fiangonana mba hanohana ny fikambanana na ny fihetsehana sasantsasany sy izay ilain’ny fikambanana. Mambra maro no nanampy tamin’ny asan’ny fikambanana, indrindra raha manana ankizy ao amin’ny fikambanana izy ireo.

5. Tetik’asa manokanaNa dia tsy andraikitry ny Mpisavalalana aza ny handany fotoana betsaka amin’ny fanangonam-bola, misy fotoana sasantsasany izay natao holaniana isan-taona ho an’ny tetik’asa manokana toy ny fitaovana vaovao, trano vaovao ho an’ny fikambanana, sns. Afaka manintona ny faharisihana sy ny eritreritry ny mpikambana rehetra izany. Koa ny Trano vaovao na ny fitaovana vaovao ho an’ny fikambanana dia misy dikany bebe kokoa ho an’ny Mpisavalalana.

6. Hetsika fitadiavam-bolaRaha mamolavola izany fanaovana vy very hitadiavam-bola izany, dia tsara ny mahatsiaro fa ny vola azo rehetra dia tokony hisy tari-dalana ary tokony ho tadidiana ao an-tsaina ireto torolàlana manaraka ireto.

a. Ny tetik’asa fitadiavam-bola rehetra dia tsy maintsy nahazo ny fankatoavan’ny komity mpanatanteraka ao amin’ny Mpisavalalana sy ny komitin’ny fiangonana, ary ny ben’ny tanàna raha ilaina.

b. Ny fikambanana dia hamporisihana hivarotra entana izay mifanaraka amin’ny fitsipi-pahasalamana ao amin’ny fiangonana Advantista mitandrina ny Andro Fahafito.

d. Rehefa mandray anjara amin’ny hetsika imasom-bahoaka eo amin’ny fiaraha-monina, mitranga ny fotoana azo hararaotina hijorona vavolombelona. Ny pejy voasoratra avela amin’ny tsirairay hifaneraserana dia hamela hery miasa mangina maharitra.

65

e. Tsara ny manome zavatra hampazoto ny Mpisavalalana amin’ny endrika loka, ribà, mari-pankasitrahana, sns.

f. Mametraha tanjona kendrena sy asa hatao amin’izy ireo. Tsaratsara kokoa ny mametraka tanjona mety ho tratra mba hahatonga ny Mpisavalalana hanana fahafaham-po amin’ny fahatratrarana ny tanjona na mihoatra aza toy izay ho diso fanantenana.

g. Teny iray mikasika ny fahaiza-mivarotra: Halamino ho amin’ny programa fivarotana ny fikambanana. Zarao ny entam-barotra. Tokony hisy hevi-baovao hampidirina hihazona ny fahalianan’ny Mpisavalalana. Ajanony mialohan’ny hahalefy ny fahalianana. Aza atao dridrangilo ny drafitra anankiray. Tsy tokony hosasarana amin’ny fitadiavam-bola ny Mpisavalalana.

7. Hevitra maro amin’ny fitadiavam-bola

a. Fikarakarana sy fandrosoana sakafo. Spaghetti na pizza, na yaourt hatao any an-trano, mofo sns, hevitra vitsivitsy fotsiny ihany ireo mikasika ny hetsika amin’ny lafiny ara-tsakafo

b. Fivarotana amin’ny asa sosialy hataon’ny fiangonana. Afaka manome fialana hetaheta na mofo, sns, amin’ny asa sosialy ny fiangonana, ary mbola tsara kokoa ny mangataka ny mambra hitondra fialana hetaheta isan-karazany izay omeny ny fikambanana mba ho amidiny amin’ny asa sosialy na fotoana manokana hafa.

d. Mivarotra isam-baravarana. Karatra amin’ny fety, taratasy miraikitra misy soratra na anarana, penina misy ny anaran’ny fikambanana, kalendrie, voankazo, mofomamy, gazety boky, savony, voanjo, ary zavatra hafa marobe izay azon’ny fikambanana hamidy isam-baravarana.

e. Fivarotana zavatra natao. Fandaharana tsara io satria mitarika ny Mpisavalalana hirotsaka amin’ny fihetsehan’ny fikambanana, ary hanome azy tombontsoa azo hararaotina hivarotana ny zavatra nataony, ho fitadiavam-bola. Zavatra toy ny tady mihazona tavim-boninkazo, voninkazo vita amin’ny lamba na ravina, « pain complet », zavatra kanto sy taozavatra, vitsivitsy fotsiny amin’ireo zavatra maro azo hatao ireo 

f. Lavanty. Fampisehoana fialam-boly, biby na lavanty ataon’ny olona tena mahay azy. Mety azo angalana vidim-pidirana izany.

g. Asa: (1) Manangona ravina mihintsana.(2) Mamafa kiraro

(3) Miandry zazakely

(4) Manasa fiara(5) Manary fako

66

FITSIPIKA AMIN’NY FITADIAVAM-BOLA

Misy tari-dalana vitsivitsy amin’ny ankapobeny ity mba hanampy amin’ny famaritana raha toa ny tetik’asa atolotra mety na tsia hifanaraka amin’ny filamatra izay faritana amin’ny fitadiavam-bola:

1. Moa ve ny programa fitadiavam-bola ankatoavin’ny komitin’ny fiangonana sy ny departemantan’ny tanora ao amin’ny Federasiona?

2. Moa ve ny drafitra mifanaraka amin’ny fitsipika eo amin’ny fiaraha-monina ?

3. Moa voafehy tsy hanana endrika filalaovam-bola na filokana?

4. Moa ve ny vokatra hamidy, raha toa ka izany no hatao dia amidy araka ny fahamendrehany ary tsy misy filazana izay ilain’ny Mpisavalalana na ny fikambanana?

5. Moa ve ireo izay nividy nahazo zavatra sahaza ny volany?

6. Moa tsy misy Mpisavalalana hafa ao amin’ny faritra mitovy, mandritra ny fotoana mitovy manao programa fitadiavam-bola?

7. Moa azonao antoka tsara fa tsy misy olona anankiray mila asa kanefa tsy hanana izany nohon’ny programa fitadiavam-bola.

8. Moa ve ny programa fitadiavam-bola miaro ny toetra mampiavaka ny Mpisavalalana sy ny fiangonana Advantista Mitandrina ny andro fahafito ary hamela ny Federasiona ho afaka amin’ny fifanarahana amin’ny andraikitra ara-bola?

67

VOLA MIDITRA SY MIVOAKA ISAN’ANDRO(sandam-bola dolara no atao eto)

Daty Vola niditra Filazalazana Vola nivoaka

fifandanjana

07/12/98 100.00 Fanatitra andron’ny klioba 100.00

19/12/98 Marika famantarana 5.00 95.00

06/01/99 Fandaniana t@ taozavatra

07/01/99 Fanomezana

17/01/98 Latabatra fiasana 20.00 85.00

08/02/99 21.00 Latsak’emboka 106.00

16/02/99 Fitaovana vonjy voina 8.00 98.00

26/02/99 200.00 Fanampian’ny fiangonana

12/03/99 Fifanarahana Mpisavalalana 200.00 98.00

14/03/99 12.00 Latsakemboka ny klioba

21/03/99 Fandaniana t@ taozavatra

24/03/99 Lay 4 14.00

31/03/99 Fanamiana 10.00

04/04/99 18.00 Latsakemboka 28.00

11/04/99 Fanampian’ny Federasiona 22.00 6.00

14/04/99 Saran-dasy

21/04/99 Fandaniana @ lasy

26/04/99 Fandaniana t@ tsenabe

MANOMEZA TATITRA ARA-POTOANA AMIN’NY FIVORIAN’NY KOMITIN’NY FIANGONANA SY NY MPANDRAHARAHA

68

SANTIONANA TETI-BOLAN’NY MPISAVALALANA

TANJONA 1. Hampianatra ny famonjena amin’ny alàlan’ny fihetsehan’ny Mpisavalalana.

2. Hanompo ny fiangonana sy ny fiaraha-monina

FIDIRAM-BOLAN’NY

FIKAMBANANA

Latsakemboka $ 600.00 ($10.00 isaky ny mpikambana isan-taona)

Vola fanampiana voaray 500.00

Fanatitra 750.00

Tetik’asa 1,000.00

Fanampian’ny fiangonana 1,000.00 ($1,45 isam-bolana isaky ny mpikambana)

Vola miditra isan-taona $3,850.00

FANDANIAN’NY FIKAMBANANA

Haitao $ 600.00

Fitaovana 65.00 fitomboka, sns

Fifandraisana 250.00 Camera, gazety

Fidirana ho mambra 50.00 Labozia, fialana hetaheta

Lasy 150.00

Fitaterana 500.00 fitsangatsanganana, lasy mandroso sy Miverina

Fikarakarana fiara 1,000.00

Fiantohana 60.00 ($ 1.00 isan’olona isan-taona)

Fitantanana 250.00 fivoahana

Staff 200.00 Fanofanana

Tranom-boky 250.00

Fitaovam-pilasiana 200.00 Lay, Fatana

Mari-pankasitrahana 175.00 Pins, badges, sns

Vola nivoaka isan-taona $3,850.00

SANDANY sy TOMBONY

Fanampian’ny fiangonana 35% ny vola miditra

69

Mambran’ny fiangonana 1400= $1.25 isaky ny mambra isan-taona

Fianakaviana 600= $1.67 isam-pianakaviana isan-taona

* Nifototra tamin’ny fikambanna Mpisavalalana tsotra. Tokony ampifanarahana amin’ny sandam-bola eo an-toerana

FANAOVANA TATITRANy fandaharan’asa maneran-tanin’ny Mpisavalalana dia miasa amina drafitra

fanomezana isa manokana amboarina hifanaraka amin’izay ilain’ny diviziona, fivondronam-be sy federasiona tsirairay avy. Io drafitra fanomezana isa io dia mifototra amin’ny fihetsehana fototra samihafa ao amin’ny fikambanana izay iraisan’ny fikambanana rehetra. Ity sary ity dia manampy ho afaka hiasa amin’ny fomba mirindra manaraka modely mandrindra ny fotoana voafetra.

Ny drafitra fanomezana isa eto ambany no manoritsoritra ny faritra manokana izay ilaina ny fikarakarana amin’ny fototra ara-dalana ao amin’ny fandaharan’asan’ny fikambanana, ary omena isa isaky ny mahatanteraka ny lisitry ny zavatra takiana tsirairay avy.

Ny taratasy manokana fanaovana tatitra dia hampiasaina hiraketana ny fihetsehan’ny. Mizara ho faritra telo, isam-bolana, isan-telovolana, isan-taona. Izany taratasy izany dia azo alaina ao amin’ny departemantan’ny Tanora ao amin’ny Federasiona eo an-toerana

Ny mpitantsoratry ny fikambanana dia mila mameno ny taratasy isaky ny volana anaovan’ny fikambanana asa. Sivy na 10 volana no ampiasaina hikajiana ny totalin’isa azo, ary ny Mpisavalalana tsirariray dia hahazo mari-pankasitrahana manokana mifanaraka amin’izay zava-bitany.

DRAFITRA FANOMEZANA ISA

Omena ny fikambanana arak’izao fomba manaraka izao ny isa:

Isam-bolana

1. Fivoriana ara-potoana (Modely A,B na D) isam-bolana2. Salam-panatrehana farafahakeliny 75%

3. Mpanolo-tsaina iray ho an’ny Mpisavalalana 6-8

4. Ny mpikambana rehetra dia manana fanamiana ary manao izany amin’ny fivoriana (telo volana no omena ny mpikambana)

5. Manao kilasim-pandrosoana sy mari-boninahitra (asa manavanana)

6. Manao tatitra any amin’ny Federasiona amin’ny fahafolon’ny volana manaraka

Isan-droa volana

Toe-javatra manokana isan-droa volana 5 no tsy maintsy hatao isan-taona, tsy mihoatra ny roa amin’izany no an’ny Federasiona, toy ny fivoriam-be (rallye), camporee, kanefa ao anatiny ny tsenaben’ny Mpisavalalana. MANOME ISA EFATRA ISAN-DROA VOLANA IZANY.

70

Isan-taona

1. Farafahakeliny filasiana indray mandeha maharitra indroa alina. (Isa 10 isaky ny milasy isan-taona)

2. Fara-fahakeliny lanonanana fanokanana (investiture), farafahakeliny ny antsasaky ny mpikambana no anaovana izany; (Isa 20 isan-taona no azo amin’izany)

3. Fandraisana anjara amin’ny tsenaben’ny mpisavalàlana. (Isa 10 isan-taona)

Ny totalin’isa mandritra ny taona izany dia:

Isa 6 amin’ny 9 volana 54

Isa 4 amin’ny isan-droa volana 5 20

Filasiana 10

Lanonana fanokanana (investiture) 20

Tsenaben’ny Mpisavalalana 10

Totaliny 114

GRADY A=105-114; B=95-104; C=85-94; D=Latsaky ny 85

71

MODELY 1 TATITRA ISAM-BOLAN`NY MPISAVALALANA

FANAMARIHANA: Fenoy ny banga rehetra. Andefaso dika mitovy iray ny Departemantan’ ny Tanora any amin’ny Federasiona amin’ny fahafolon’ny volana tsirairay. Mitahiry dika mitovy iray ho anareo.

ISAM-BOLANA

Anaran’ny fikambanana_________________ volana sy taona ______________________

1. Nanao fivoriana indroa ve tamin’ity volana ity? Eny-Tsia

2. Nahatratra 75% ve ny sala-panatrehana Eny-Tsia

3. Firy ireo efa nekena ho mpikambana? _______

4. Firy ireo miomana ho mpikambana (telovolana I)? _______5. Moa ny fikambananao manana mpanolo-tsaina lehibe na tanora zokiny

farafahakeliny iray isaky ny tarika 6-8 Mpisavalalana ? Eny-Tsia6. Moa ny mpikambana rehetra manana sy manao fanamiana amin’ny fivoriana

rehetra? Eny-Tsia7. Lazao izay kilasim-pandrosoana natao tamin’ity volana ity :

Sakaiza Sakaiza an-dalana Namana Namana any an-tsisin-tany Mpamaky lay Mpamaky lay any an-tany efitra Mpanazava Mpanazava any an-tany efitra Mpandeha lavitra Mpitarika

ISAN-DROA VOLANA

Moa nanao ny fihetsehana manokana isan-droa volana ny Fikambanana tamin’ity volana ity ? Eny Tsia

(Raha Eny dia lazalazao fohifohy, ataovy ao ambadika raha tsy ampy ny toerana)

Asa fitoriana Fialam-boly fotsiny ihany Fitsangantsanganana Filasiana Sabatan’ny Mpisavalalana Fihaonambe nataon’ny Federasiona Camporee Dia lavitra (expedition) Hafa

72

ISAN-TAONA

1. Moa nilasy nandritra ny roa alina ny fikambanana? Eny –Tsia

2. Moa nanao lanonana fanokanana na investiture tamin’ity volana ity? Eny- Tsia

Raha eny, daty_________________ isan-jaton’ny mpikambana natao____________

3. Moa nanatrika ny tsenaben’ny Mpisavalalana ve ny klioba? Eny - Tsia

ANKAPOBENY

1. Moa nisy fivorian’ny komity mpanatanteraka /Staff tamin’ity volana ity ? Eny –Tsia

2. Inona no asa manavanana sy fahaiza-manao nampianarina? Ataovy lisitra izany sy ny isan’izay nanao izany.a. __________________________________________________________________

b. __________________________________________________________________

d. ________________________________________________________________

e. _______________________________________________________________

3. Isan’ny Mpisavalalana nandray anjara tamin’ny asa fitoriana:_____________

4. Isan’ny Mpisavalalana natao batisa tamin’ity volana ity:_________________ Fenoy eto azafady ny fampahafantarana raha nisy fiovana niseho:

Anaran’ny Tale_________________________________________________________

Adiresy:______________________________________________________________

Laharana an-tariby__________________________________

Aiza hianareo no mivory?____________________________

Amin’ny andro inona ny fivoriana?_____________________

Anaran’ny tale lefitra/mpitantsoratra nanao ny tatitra: __________________________

Adiresy_______________________________________________________________

Sonia________________________________Daty____________________________

73

MODELY 2 TATITRA ISAM-BOLAN’NY MPISAVALALANA

Anaran’ny fikambanana__________________________________-

Volana________________

Tale____________________________ Isan’ny batisa ___________

Isan’ny Tovovavy______10-12___13-15___TLTs_______

Isan’ny Tovolahy _____10-12____13-15___TLTs_______

Isan’ny Staff lehilahy_________Isan’ny Staff vehivavy__________

Ny TLTs dia tsy maintsy soratana ao amin’ny programan’ny TLT.

74

A. Isan’ny fivoriana natao tamin’ity volana ity (3 ora farafahakeliny)________(Isa 4 isaky ny fivoriana; Isa 8 farafahabetsany) (8)

B. Isan-jaton’ny Mpisavalalana manao fanamiana amin’ny fivoriana iray ______tamin’ity volana ity (95% = Isa 6; 75% = Isa 4; 50% = Isa 2) (6)

D. Isan-jaton’ny sala-panatrehana amin’ny fivoriana _________95% =Isa 6; 75% = Isa 4; 5O% = Isa2 (6)

E. Kilasim-pandrosoana nampianarina hahazoana mari-boninahitra _________Isa 2 isaky ny asa manavanana; isa 4 farafahabetsany (4)

F. Filasiana tamin’ity volana ity na fihetsehana hafa: Lisitra ________ ______Farafahakeliny 24 ora any an-tsaha- Isa 4 (4)

G. Tetik’asa Fahasahiana ho an’i Kristy__________________ ________

(Isa 10) (10)

H. Nisy fivorian’ny Staff ve tamin’ity volana ity? _______(Raha eny, Isa 2) (2)

I. Nisy tatitra nalefa ve tamin’ny fahafolon’ny volana? _______(Raha eny, isa 2 nohon’ny tsy fangatahana andro) (2)

J. Zavatra hafa vaovao (lazao eto ambany) (Isa 8) ________

____________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________

Totalin’isa ___________(50)

FITANTANANAFIHAZONANA NY FIKAMBANANA MPISAVALALANA

NY TOE-TSAIN’NY FIKAMBANANA

Ny toe-tsain’ny fikambanana dia zavatra iray iankinan’ny fahombiazan’ny fikambanana Mpisavalalana. Vokatra azo avy amin’ny fitambaran’ny toe-javatra miseho maromaro izany. Ny mpikambana rehetra sy ny mpitantan’asa ao amin’ny fikambanana Mpisavalalana dia mila miara-miasa hatrany eo amin’ny fampitomboana ny toe-tsain’ny firaisana sy ny fahatsapana ho iray ihany ary koa ny fihazonana ny fahalianana miaraka sy ny hafanam-po.

Mila manara-maso sy mitandrina tsara ny fisian’ireto toe-javatra manaraka ireto ny mpitantan’asa ao amin’ny fikambanana Mpisavalalana:

1. Tanjona ara-panahy

Mila mahazo antoka ny mpitantan’asa ao amin’ny fikambanana Mpisavalalana fa ny fomba fiasan’ny fikambanana dia miainga avy amin’ny alalan’ny fototra ara-panahy. Ataovy mazava tsara ny fitandremana ny foto-kevitra ao amin’ny Soratra Masina ary hararaoty daholo izay fotoana rehetra mety hanehoana ny hafatr’i Jesosy Kristy amin’ny fomba mahomby ho an’ireo Mpisavalalana. Ampiasao amin’ny farany izay azo atao ireo mpiahy (chaplain) ny fikambanana, ny pasitoran’ny fiangonana na ny pasitora mikarakara ny tanora. Omeo fotoana ampy ny fikambanana mba hanaovana fanompoam-pivavahana ary ataovy izay azonao atao mba hahatonga izany fotoana izany ho mahaliana sy misy dikany.

2. Ny fahatongavana

Aza ovana mihitsy ny tanjona mba hahatrarana ny fahatongavana ho 100 isan-jato. Raha toa ka mijanona ho 50 isan-jato na latsaka foana hatrany anefa ny fahatongavana dia fantaro fa manana olana ny fikambananao. Ireo mpanolo-tsaina sy mpitarika ao amin’ny fikambanan’ny Mpisavalalana dia tokony hikaroka sy hahafantatra ny antony mahatonga ny mpisavalalana tsy ho tonga amin’ny fivoriana. Ny mpikambana iray izay tsy ho afaka hanatrika ny fivoriana dia tokony hilaza mialoha na hampandre ny mpanolo-tsain’ny fikambanana. Ny fanaovana fandaharana maty paika ho an’ny fitsidihana ny mpikambana izay tsy tonga amin’ny fivoriana dia afaka hanova ny toe-javatra ary hanampy azy indray hiverina hamonjy fivoriana amin-kafanam-po. Ho fanampin’izany dia tokony ho voalaza tsara ny fotoam-pivorianana mba hahafahan’ny mpikambana rehetra mahafantatra ny toerana sy ny ora.

3. Fifandraisana ao an-tokantrano

Fomba iray tsara ny mandefa ny fandaharan’asan’ny fikambanana Mpisavalalana any an-tokantranon’izy ireo mba hahafahan’ny ray aman-dreny sy ireo mpisavalalana mahafantatra tsara ny fotoam-pivoriana.

4. Dinidinika eo amin’ny latabatra boribory

Manokàna fotoana fohy ao amin’ny fivorian’ny fikambanana Mpisavalalana mba hanokafana dinidinika manodidina ny latabatra amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana toy ny hoe: “Inona no heverinareo azontsika atao mba hanatsarana ny fikambanantsika?”

75

Amporisiho ny mpikambana rehetra mba hilaza izay heveriny mikasika ny fihetsehana izay tiany hampidirina ao anatin’ny fandaharan’asa. Satria nanana fotoana niresahana tamin’ny mpikambana tsirairay ianao dia sariho izy ireo mba hilaza izay tiany atao na handraisany anjara ao amin’ny fikambanana. Mety hanampy anao hahita ny antony nahatonga ny mpisavalalana tsy ho nazoto intsony teo aloha, ireo hevitra aposany eo.

5. Fivorian’ireo mpitarika ny andian’ny Mpisavalalana

Manàna fivoriana tsindraindray ho an’ireo mpitarika ny andian’ny Mpisavalalana. Omeo fahafahana hiteny malalaka ny fihetseham-po voarainy avy amin’ireo mpikambana sy ny tian’izy ireo atao, ireo mpitarika ny andiany. Amporisiho izy ireo hanampy amin’ny fanatanterahana ny fandaharan’asan’ny fikambanana ho amin’ny ho avy.

6. Fahatsapana omena ny mpikambana fa voaray tsara izy

Tsy tokony ho faly fotsiny ny amin’ny fitondrana ny idealin’ny fikambanana ny mpikambana vaovao fa tokony ho tsapany koa ny hafanana eo amin’ny fisakaizana atolotry’ny mpikambana namany sy ireo mpitarika azy.

7. Fampiarahana ny mpisakaiza

Raha azo atao, dia ampidiro ao anatin’ny andiany izay mety hahazoany namana na andiany izay mahay mifandray aminy ny mpikambana iray.

8. Fijerena todika ny asan’ny mpanolotsaina

Ny talen’ny fikambanana sy ny komity mpanatanteraky ny fikambanana mpisavalalana dia tokony hijery todika na hanara-maso ny asan’ny mpanolotsaina tsindraindray. Ny mpisavalalana dia tia mpitarika izay azony alaina tahaka, tsy miangatra, tsy henjana na malefaka loatra, manana toe-tsaina mampifalifaly ary olona izay mahafantatra sy tia azy ireo. Raha toa ka miasa amin’ny fomba tsy refesi-mandidy ilay mpanolotsaina dia ho veriny ny fisakaizana sy ny fifandraisana mafana ary ny fahalianana iraisana avy amin’ireo mpikambana. Noho izany ny tale dia tokony hanao izay azony atao mba hanampiana izany mpanolotsaina izany hanova ny fombany na hitondra fiovana eo amin’ny fomba fitondrany ho fanatsarana bebe kokoa hatrany ny tombotsoan’ny fikambanana.

9. Manao fandaharan’asa mifandanja tsara

Tariho ho amin’ny famitana hatramin’ny farany sy ny fianarana fahaiza-manao na talenta ny Mpisavalalana. Tiany ny mitsangantsangana na manao dia an-tongotra ary tiany koa ny manao zavatra. Ataovy azo antoka fa manome azy ireo filàna ireo ny fandaharan’asa ary ahafahany manatanteraka izany hatramin’ny farany. Aza avela hisy fotoana hilazan’izy ireo fa : “Nilaza taminay rizareo fa handeha hitsangantsangana hono izahay kanefa dia tsy nandeha mihitsy izahay”. Tokony ho voalamina maty paika tsara sy voalanjalanja ny fivoriana: tsy ho be loatra ny fotoana hipetrahana na ny hihainoana, na koa tsy ho be loatra ny kilalao na fitsapam-pahaizana atao ary mba ho karazana kilalao mifandrindra tsara amin’ny fotoana. Aza mikitakita na mibedibedy foana. Ataovy maro ny fiovaovana.

10. Mampivelatra ny fifandraisan’ny tarika

Moa ny tarika ve manana fahafahana hampivelatra ny maha-izy ny tsirairay sy ny fanaovana ny fahamarinana amin’izy samy izy? Ilay gropy kely misy ankizilahy na ankizivavy enina na fito dia mahavita “tarika” iray izay manome fahafahampo ny faniriany hanana fiainana malaza na fanta-bahoaka eo amin’ny kilasin-taona 10-15.

76

11. Efitrano fivorianaNy endriny ivelany na fisehony

Ny efitrano fivorian’ny Mpisavalalana dia tokony ho efitra voaloko tsara sady voahaingo mba hampisondrotra ambony ny toe-tsain’ireo Mpisavalalana. Ny valindrihana dia ho fotsy madio tsara, ny rindrina ho loko malefadefaka. Ny sainam-pirenena, ny sainan’ny Mpisavalalana, ireo faneva misy ny lalàna sy ny voadin’ny Mpisavalalana dia samy tokony ho hita mihantona daholo.

Ny fanazavana ny efitraNa fahazavana azo avy amin’ny masoandro na jiro no ampiasaina dia tokony ho samy

hanazava tsara ny efitrano izany ary hampahafinaritra ny maso.

Fidiran’ny rivotra sy ny hafananaNy efitrano fivoriana dia tokony hitovy daholo ny hafanana ao anatiny, tsy hisy ny

hangatsika kokoa noho ny lafin-trano hafa ary ny rivotra mifamezivezy ao dia tokony ho voatsinjara tsara amin’ny alalan’ireny fitaovana manokana ho amin’izany ireny. Aoka ny hafanana mba hifandanja tsara koa fa tsy hanempotra.

Fitehirizan’entanaAoka hisy toerana malalaka tsara hasiana ireo fitaovana hampianarana sy ny fitondra milasy.

Solaitrabe fampahalalam-baovaoTokony hisy ny solaitrabe fampahalalam-baovao azon’ny klioban’ny Mpisavalalana

hampahafantarana ny fiangonana ireo zava-nitranga sy ny fihetsehana atao amin’izao fotoana izao ary ireo fihetsehana mbola hatao. Azo ametahana ireo tao-zavatra sy ireo mari-pandrosoana amin’ny fahaiza-manao koa izany.

12. FitaovanaTokony ho ho ampy tsara araka ny isan’ny mpandray anjara ao amin’ny Mpisavalalana no

isan’ny fitaovana hampiasaina. Hanahirana ihany ny hitandro ny filaminan’ny asa raha toa ka misy ireo mpisavalalana mbola miandry ny fitaovana hampiasain’ny Mpisavalalana hafa vao afaka manao.

13. Fitaovana fitondra milasy

Trano layFialofana mendrika sy azo antoka no tokony homena ny mpilasy tsirairay avy amin’ny

alina. Tokony hotandremana ho milamina tsara ny fikarakarana ny trano lay.

FandrahoanaFatana mandeha amin’ny entona (gaz) na fatana mampiasa ireny kitay ireny dia azo atao

avokoa. Tokony ho ara-dalana tsara ny fitaovana na fatana fandrahoana sakafo mba tsy hampisy fiantraikany amin’ny fandaharam-potoanan’ny lasy.

RanoTokony hanana fitoeran-drano ara-dalana tsara ny klioba mba hitehirizana amim-

pitandremana tsara ny rano fisotro.

Fitaovana fampiasa ao an-dakoziaTena ilaina ny hananana fitaovan-dakozia ara-dalana sy ampy ho an’ny mpahandro any

amin’ny lasy mba hikarakarana ny sakafo.

77

14. Fitaovana hoenti-mampianatra

Ny trano famakiam-bokyTokony ho vita lisitra tsara sy milamina ary mipetraka araka ny talatalana tokony hisy azy

avy ny boky rehetra.

Ny lisitra ahitana ny momba ny boky dia tokony afaka hojeren’ny mpikambana ao amin’ny mpitantan’asan’ny Mpisavalalana.

FITSIPI-PIFEHEZANANy tanjona amin’ny fampiharana ny fitsipi-pifehezana amin’ireo mpikambana ao

amin’ny klioban’ny Mpisavalalana dia natao mba hitarika azy ireo amin’ny maha zanakalahy sy zanakavavin’Andriamanitra, hampiseho amin’izy ireo ny fitiavantsika azy ary ny fahafantarantsika sy ny fahazoantsika ny momba azy, hampianatra azy ireo ny toetran’ Andriamanitra izay hita amin’ny alalan’ny filaminana sy ny fitsipi-pifehezana eo amin’ny voahary, mba hahatonga azy ireo ho mambran’ny fiangonana ilaina sy ho an’ny tanindrazany, mba hanampy azy ireo koa hahay hanaja ny mpitarika azy ireo sy ny ray aman-dreniny.

Raha miasa ho amin’ny famonjena ny fanahin’ireo Mpisavalalana ao aminao ianao dia katsaho sy angataho ny fahendrena sy ny fitarihan’ny Tompo. Raha indro fa miha-mahatratra ny lafatra ao amin’ny klioban’ny Mpisavalalana izy ireo dia tokony ho tsapany amin’izany fa nateraka indray ao amin’ny fanandramana vaovao izy ireo. Ilaina ny hahafantaran’izy ireo fa tiana izy ireo amin’ny alalan’ny fanitsiana sy ny fitsipi-pifehezana atao amin’izy ireo. Ilaina koa ny hianarany hamehy ny fanirian’izy ireo mba hifanaraka amin’ny lalàn’Andriamanitra.

Ny fitsipi-pifehezana tsara ao amin’ny klioban’ny Mpisavalalana dia hanome fiaraha-monina izay hitarika ho amin’ny fihetsika mahafinaritra sy maha-te-ho tia ary fifandraisana tsara eo amin’ny samy mpikambana. Ho tsapa havesa-danja kokoa ny fitarihana nho ny fameperana ary ho fanamboarana toe-javatra fa tsy hanapotika sanatria. Tsy hampandringa akory izany fa hanome fahafaha-manao kosa. Hamporisika ny fahaizana mifehy tena sy ny fikendrena tanjona eo amin’ny fihetsehana izany. Ny fitsipi-pifehezana tena tsara indrindra dia tsy hita fotsiny fa tena tsapa mihitsy. Mampianatra ny ankizy hanao zavatra tsara amin’ny fotoana mety sy amin’ny fomba mendrika izany. Manakana ny korontana tsy hitranga ny fitsipi-pifehezana tsara.

Fandaharan’asa tsara rindra dia hanakana ireo olana maro sy fahadisoana mety hitranga. Ny firindrana sy filaminana dia miteraka fahatokiana. Amin’ny alalan’ny ohatra asehon’ireo mpitarika azy no hianaran’ny Mpisavalalana fa Andriamanitra dia Andriamanitry ny filaminana. Ao amin’ny klioba izay tsara fitsipi-pifehezana dia hanomboka ara-potoana tsara ny fivoriana, tonga ara-potoana daholo koa ireo mpitantan’asa ary handroso sy hirindra tsara hatramin’ny farany ny fandaharam-potoana.

FITSIPI-PIFEHEZANA MIFANDANJA Apetraho tsara ny lalàna sy ny fitsipika mifehy ary asio naoty kely (marika) hitsarana azy. Lazao sy ampahafantaro ireo Mpisavalalana ireo fitsipika ireo, ny andrasanao avy

amin’izy ireo ary ny fomba fampiharana azy.

78

« Tokony ho vitsivitsy sy tena voadinika tsara ny fitsipika sy lalàna mifehy ary raha vao napetraka izany dia tokony hampiharina. Raha misy hita fa tsy ho vita ny hanova azy dia ny saina no hianatra hanaiky sy hanamboatra izany hifanaraka tsara amin’ny ilàna azy » - Education, p.290

Manaova toriteny kely fandinihan-tena fananarana mikasika ny fitsipi-pifehezana ary amin’izany no hanazavana ny Voady sy ny Lalàn’ny Mpisavalalana.

Amin’ny fomba tsy miovaova tsy misy fanavahana dia ampiharo ny fitsipi-pifehezana Miaraha midinika amin’ilay tanora nandika ny fitsipika ary miaraha mivavaka aminy.

Rehefa azony tsara izany dia hiara-miasa aminao mora foana izy ireo.

FITANTANANA METY NA TSY METY EO AMIN’NY FITSIPI-PIFEHEZANA

Fomba tsy mety ny mandrava na manapotika ny foto-pisainan’ilay fitsipi-pifehezana amin’ny fampiasana hery fotsiny. Izany fandravàna foto-pisainana izany dia hiteraka tsy fahatokiana, fitsoahana ary fankahalàna ny fitondrana.

Fomba mety hitondrana ny fitsipi-pifehezana dia ny manao izay ahatsapana ny marina sy ny mety ka ny fitiavana sy ny halemem-panahy ary ny fitsipi-pifehezana no hanatanterahana ny asa. Ataovy izay ahazoanao ny fahatokian’ny tanora. Asehoy fa tianao amim-pahalemem-panahy izy ireo ary miandry ny fiaraha-miasa feno fahamarinana sy fahatokiana avy amin’izy ireo ianao. Io fomba mety io dia hampivelatra sy hiteraka ny fahatokiana, ny fanekena, ny fiaraha-miasa ary ny fitiavana.

FOMBA HIALANA AMIN’IREO OLANA METY HITRANGA NOHO NY FITSIPI-PIFEHEZANA

Mandrafeta fandaharan’asa mivelatra tsara ho amin’ny fihetsehana Aza mandeha amin’ny fivoriana tsy voaomana izany mihitsy Manaova ho maha-te-ho tia sy tia mikarakara ary azo atonina amin’ny fotoana rehetra Mambole toetra tia mampifalifaly Aza mampiasa fanesoana na fanarabiana Aza be kizitina na tezitezi-poana Aza miangatra na misy ny lalaina fa ataovy mitovy ny rehetra Manehoa fahaiza-mifehy tena ary manàna faharetana, eny fa na dia manery anao aza ny

toe-javatra Tandremo ny fampiasanao ny feonao mba hiteny mazava sy feno fahefana saingy tsy

mikiakiaka! Ataovy mazava sy matotra tsara ny torolalana sy ny baiko omena Tandremo tsara ny fahazaran-dratsy mba tsy hitarika ho amin’ny fanarabiana anao ; aza

mampiasa teny tsy maotina na fitenin-jatovo an-dalambe

FOMBA FAMPIHARANA NY FITSIPI-PIFEHEZANA

NY AZO ATAO

Torohevitra manokana Mandritra io fotoana fanoroan-kevitra sy firesahana io dia aoka ianao hifehy ny

toe-javatra. Tondroy mazava tsara ny fahadisoana nataon’ny Mpisavalalana ary anontanio izy mba hanazava ny fihetsika nataony. Mety hanome sosokevitra mihitsy hamahana ny olana aza ny Mpisavalalana. Tariho amim-pirahalahiana izany fivoriana

79

izany kanefa aoka ho tsapan’ny mpikambana rehefa hiala teo izy fa firaharahana no natao teo.

Ampiasao ny fitsaran’ny gropyManaova ezaka mba hanorenana ny idealin’ny fitondrantena hampisehoana fa

raha sanatria misy ny fandikan-dalàna dia tsy ekena izany ho an’ny rehetra.

Kajio tsara ny fahasamihafan’ny tsirairayRehefa manao drafitra ny fitsipi-pifehezana dia tsarovy fa tsy mitovy daholo

akory ny Mpisavalalana. Hevero tsara ny nihavian’izy ireo sy ny mombamomba azy, ny toe-batany sy ny toe-tsainy ary ny mety handratra azy ireo.

Fandroahana raha ilaina izanyRehefa misy Mpisavalalana iray manohy ny fitondrantena tsy mety dia tsy

maintsy miatrika ny toe-javatra izy fa na izy miezaka mitondra tena araka ny tokony ho izy amin’ny maha-Mpisavalalana azy na izy dia voatery handao na hiala amin’ny gropy.

NY TSY AZO ATAO MIHITSY

Manasazy amin-kahatezeranaMampiasa fampitahorana sy fandrahonana izay tsy ho tanterahina mihitsyManery ny hiala tsiny eo am-pahibemaso. Vitsy amin’ny ankizy no mahatsapa ny hoe tena diso tanteraka ary mety ho izany mihitsy aza.Mampijanona aorian’ny fivorian’ny klioba. Tena fomba tsy mety mihitsy satria mahatonga ny Mpisavalalana hankahala ny klioba ary fepetra takiana tsy dia ilaina loatra izany eo amin’ny fotoan’ny torohevitra.Manome asa na andraikitra ivelany. Mety ho ny tsy fahavitan’ilay Mpisavalalana ny anjara asa nomena azy aza no efa fototry ny olana.Fanasaziana “bonnet d’âne”. Efa fomba taloha izany. Miteraka fikomiana fotsiny matetika na fihomehezana fanesoana io fitsipi-pifehezana iray io. Tian’ny Mpisavalalana sasany ny manaiky fitondrana hafa io.Mampiasa fanasaziana ara-batana. Fahendrena kokoa ny mamela izany fomba izany ho an’ny ray aman-dreny satria dia miteraka olana maro samihafa ny fampiharana azy.

IREO FAHADISOANA MENDRIKA SAZY

1. Ireo toe-javatra mazava sy tsy azo hamarinina mikasika ny tsy fankatoavana2. Ireo toe-javatra izay mitarika ny fironana sy ny fihetsehana hadika ho fanompàna mihitsy

na olana ara-pitondrantena toy ny:Faniratsirana na fanalana barakaTsy fanajana ny mpanolotsainaTeny manompa na mankahararyFanimbana fanananaMisoloky na mangalatra

FOMBA FAMPIAHARANA NY FITSIPI-PIFEHEZANA

1. Raha toa ka tsy mankatò na tsy miara-miasa aminao ny Mpisavalalana iray dia :a. Tokony hiresaka amim-pahalinana tsara amin’io Mpisavalalana io ny mpanolotsainab. Tokony horesahin’ilay mpanolotsaina ny zavatra andrasana amin’ny Mpisavalalana

amin’ny maha-mpikambana azy ao amin’ny klioba

80

d. Tokony hamangy mitokana azy ilay mpanolotsaina ary miaraka mivavaka aminy2. Raha toa ka mbola manohy tsy mankatò sy mampiseho tsy fiaraha-miasa ihany ilay

Mpisavalalana dia tokony hangataka ny fanampian'ny tale mpanampy ny fikambanana izay misahana ny fampiharana ny fitsipi-pifehezana, ilay mpanolotsainaa. Miara-midinika manokana amin’ilay Mpisavalalana izy ireob. Tokony hangataka haingana ny fiaraha-miasa avy amin’ilay Mpisavalalana izy ireod. Tokony hiaraka hivavaka aminy izy ireo

3. Raha toa ka tena ilaina mihitsy ny hanatonana fanintelony ilay Mpisavalalana dia tokony hihaona aminy ny mpanolotsaina, ny tale mpanampin'ny fikambanana ary ny talen’ny fikambanana ka miresaka mitokana miaraka aminy.a. Miaraha-midinika amin’ilay Mpisavalalana ary hazavao aminy ny maha-zava-dehibe

ny fananana firaisana, fiaraha-miasa ary ny toe-tsaina mifankahazo sy mifankahafantatra eo amin’ny samy mpikambana ao amin’ny klioba

b. Andramo ampitaina aminy ny maha zava-dehibe ilay toe-javatra izay tsy notanterahiny tamim-pahatokiana ny anjarany.

d. Miaraha mivavaka aminye. Manaova fotoana mba hamangiana azy any an-tokatranony hiarahana midinika

amin’ny ray aman-dreniny

4. Raha sanatria ka mbola mitohy ihany ny tsy fankatoavana asehon’ilay Mpisavalalana na dia efa natao daholo aza ireo dingana famangiana tany an-trano sy ny fiaraha-midinika dia tokony hihaona manokana amin’ilay Mpisavalalana indray ilay mpanolotsaina ka miaraka mivavaka aminy.

5. Raha mitohy hatrany ny fitondrantena tsy mety ataon’ilay Mpisavalalana dia mila manana fivoriana manokana mihitsy ny mpanolotsaina, ny tale sy ny tale mpanampin’ny Mpisavalalana.

Entina eo anatrehan’ny komity mpampihatra ny fitsipi-pifehezana ny raharaha ho dinihina akaiky

Ireto avy no mpikambana ao amin’ny komity mpampihatra ny fitsipi-pifehezana: ny tale, ny tale mpanampy, ny mpanolotsaina, Mpisavalalana lahy sy vavy iray avy izay nofidiana avy tao amin’ny klioba.

Ampahafantarina ny toe-javatra ny ray aman-dreny ary dia omena iray volana tsy mandray anjara amin’ny klioba aloha ilay Mpisavalalana

Mandritra izany fotoana iray volana izany anefa dia tokony hovangian’ny mpanolotsaina any an-trano ilay Mpisavalalana.

81

FIFANDRAISANA AMIN’NY ANY IVELANYZARAO AMIN’NY ALALAN’NY GAZETIN’NY MPISAVALALANA IREO

FIHETSEHANA REHETRA ATAONAREO

1. Hampandraiso anjara ireo Mpisavalalana amin’ny fikarakarana ny gazetin’ny Mpisavalalanaa. Ampiasao ho mpaka vaovao sy mpanao tatitra ireo mambran’ny Mpisavalalanab. Asaivo manoratra ny lahatsoratra araka ny nahazoany azy ireo mpikambanad. Ampio ireo Mpisavalalana hahatsapa fa azy ary natao ho azy ireo io gazety io

2. Manangàna komity kely ho amin’ny fanontàna izay ahitana ny tonian’ny fanontana, ny mpanonta, ny mpiandraikitra mikarakara ny fandraharahana, ny mpiandraikitra ny fanapariahana, ny mpaka sary ary ny mpanao ny tatitra sy mpanangona ny vaovao.

Asio fotoana raikitra isam-bolana mba hihaonana sy handrafetana ny taratasy rehetra Azo atao ny manonta ny gazety amin’ny vidiny mirary. Ny fanontana amin’ny

« Offsett » dia tsara jerena ary mora vakiana sy zahàna ny sary saingy lafo vidy.

3. Zava-baovao mandrakariva no hita ao na vaovao nitranga vao tsy ela, alaina daholo ireo fihetsehana maro samihafa nataon’ny klioba toy ny lasy, fitsangatsanganana any an-tsaha, asa tanana sy talenta ary ireo toe-javatra manokana nitranga.

4. Atao amin’ny « takelaka tranokala » (page web) izay atao amin’ny ‘Internet’ ny vaovao ary alefa paositra koa izany.

Tsarovy fa :

a. manorina klioban’ny Mpisavalalana tsara iray ny fananana fifandraisana tsara amin’ny any ivelany na fifandraisana amin’ny daholobe

b. mampitombo ny fahalianana ny fanapariahana ireo vaovaod. tian’ny ray aman-dreny ny mahita ny anaran-janany ao amin’ny gazetye. raha azo atao dia asiana sary ary asiana zavatra manintona ao amin’ilay vaovaof. mpivavaka malala-tsaina avy amin’ny fiangonana sy mpiara-monina mazava saina dia

afaka hanohana ireo ilain’ny klioban’ny Mpisavalalanag. vaovao toa tsy dia manan-danja loatra raha ny fisehony no jerena kanefa dia tena hita

fa mahaliana ny maro tokoah. ampahafantaro ny fiangonanao sy ny klioba hafa ao amin’ny federasiona ny fisian’ny

« tranokala »-nareo.

ZARAO AMIN’NY ALALAN’NY GAZETY AVOAKAN’NY HAFA IREO FIHETSEHANA ATAONAREO

1. Ireo fihetsehana izay atao tatitra ao amin’ny gazetin’ny Mpisavalalana dia mendrika koa ho fantatry ny olon-drehetra.

82

2. Manendre Mpisavalalana iray mba ho mpanao tatitra ho an’ny Mpisavalalana ka hiara-hiasa amin’ny mpitantsoratra ao amin’ny fiangonana izay misahana ny fifandraisana amin’ny any ivelany

Tokony hanao tatitra amin’io mpitantsoratry ny fiangonana misahana ny fifandraisana amin’ny any ivelany io ilay Mpisavalalana indray mandeha isam-bolana

Tokony hianatra ny fepetra takiana mikasika ny ahazoana tantara tsara mikasika ny vaovao izy ary afaka manome ireo toe-javatra rehetra mitranga mikasika ny fihetsehan’ny Mpisavalalana

Ireo fihetsehana rehetra natao dia tokony ho vita tatitra amin’ilay mpitantsoratry ny fiangonana misahana ny fifandraisana amin’ny any ivelany, fara-fahatarany herinandro mialohan’ny hisehoan’ny vaovao.

3. Ny mpitarika ny Mpisavalalana dia tokony hahazo antoka fa ny tatitra ataon’ny Mpisvalalana dia ahitana ireo zava-nitranga sy ny toe-javatra rehetra. Tsara kokoa raha toa ka :

Omena azy ny lisitr’ireo zava-dehibe tokony ho fantatra mikasika ny fihetsehana. Herinandro vitsivitsy aoriana dia izy amin’izay no asaivo manomana ny lisitra. Asio fanaraha-maso ihany alohan’ny fotoana hanomezany izany amin’ilay mpitantsoratry ny fiangonana misahana ny fifandraisana amin’ny any ivelany.

Ampidiro ao amin’ny fikambanana ny « mari-boninahitra fanaovana gazety ». Tokony hiasa hifanaraka amin’io mari-boninahitra io ilay mpanao tatitra na mpanangona vaovao ao amin’ny Mpisavlalana ka mba hianatra ny hanoratra amin’ny fomba itondran’ny tenany azy manokana ary koa hanaja ny fe-potoana omena azy.

4. Tokony hisy ampahany amin’ny fandaharan’asa hanaovana adi-hevitra mikasika ny fahafaha-manao amin’ny sary amin’ireo gazety avoakan’ny hafa. Ireo sary dia tokony ho :

Iray ihany ny ivo mahaliana ao aminy Mampiseho ireo fihetsehana izay mandroso Nalaina akaiky, raha azo atao, mba ahafahana mahita tsara ny endrika asehony Manana endrika na kalitao tsara tokoa eo amin’ny fakàna azy Misy teny manazava tsara azy eo ambany ary tafiditra ao anatin’izany ny anaran’ny

olona izay hita eo amin’ny sary Ferana ny isan’ny olona eo amin’ny sary mba hialana amin’ny savoritaka be fotsiny,

raha tsy hoe angaha maro amin’ireo olona ireo no tafiditra na isan’ny nandray anjara tamin’ny fihetsehana iray niraisana.

5. Amin’ny alalan’ny fanomezana ny vaovao avy amin’ny fihetsehan’ny fikambanana Mpisavalalana ho an’ny gazety ho an’ny daholobe no mety ahafahana misarika ireo tanora tsy advantista maniry ny mba handray anjara koa amin’ny fandaharan’asan’ny fikambanana.

ALEFASO AMIN’NY FAHITALAVITRA SY NY FANDEFASAM-PEO IREO FIHETSEHANA ATAONAREO

1. Rehefa voarain’ilay mpitantsoratry ny fiangonana misahana ny fifandraisana amin’ny any ivelany ny vaovao rehetra mikasika ny fihetsehana ataon’ny Mpisavalalana, dia afaka mangataka aminy ianao hanomana ireo filazana izay alefa ho an’ny daholo be amin’ny alalan’ny fandefasam-peo na fahitalavitra eo an-toerana. Mety ho tianareo ny hanasa ireo

83

tanora rehetra mitovy taona na tafiditra ao amin’ny sokajin-taonanareo eo amin’ny tanàna. Indreto misy torohevitra vitsivitsy:

a. Atao fohy manodidina ny teny 250 eo ho eo ny filazana. Tokony ho tafiditra ao daholo ireo tena vaovao ilaina mahavaly ny hoe : inona, rahoviana, aiza ary iza.

b. Ilay filazana mikasika ny fifandraisana amin’ny any ivelany dia tokony efa omena ny foibe fandefasam-peo roa herinandro mialohan’ny fihetsehana farafaharatsiny.

2. Raha toa ka manana fandaharana fakàna feo sy resadresaka mialoha ilay foibe fandefasam-peo dia azon’ilay mpitantsoratry ny fiangonana misahana ny fifandraisana amin’ny any ivelany atao ny manao fandaminana mba hahafahana maka feo sy miresadresaka amin’ny talen’ny Mpisavalalana ary koa mety ho miaraka amin’ny Mpisavalalana vitsivitsy.

a. Ampahafantaro ilay mpitantsoratry ny fiangonana misahana ny fifandraisana amin’ny any ivelany ny fahafahanareo sy ny fanirianareo hanao ilay resadresaka sy fandraisam-peo.

b. Rafeto iray volana mialoha farafaharatsiny ny fotoana hidiranareo amin’ny onjam-peo d. Hajao tsara daholo ireo fotoana nomenae. Manomàna fanontaniana vitsivitsy ho an’ilay hanao ny fandraisam-peo sy resadresaka

ZARAO AMIN’IREO MPIARA-MONINA NY TANJAKA SY HERY HANANAN’IREO MPISAVALALANA IREO

1. Jereo tsara daholo ireo tetik’asa sy vinavinan’asa misy eo amin’ny fiaraha-monina ka azon’ny Mpisavalalana handraisana anjara

2. Avoahy amin’ny gazetin’ny fiangonana ny tatitra toy ny fahombiazan’ireo fihetsehan’ny klioba ary koa ny vola voaangona nandritra ny fihetsehana fanangonana.

3. Aza atao tompon-trano mihono ny fiangonana fa ampahafantaro ireo fihetsehana samihafa ataon’ny Mpisavalalana ho an’ny olona ivelan’ny fiangonana.

4. Aza adino mihitsy ary ataovy tsy tapaka ny maneho fankasitrahana ho an’ny mambran’ny fiangonana noho ny fanohanan’izy ireo ara-bola sy ara-torohevitra ny fandaharan’asa.

84

FIANTOHANA

Raha ny lafiny ara-panahin’ireo tanorantsika no tena voalohany imasoan’ireo izay miditra ho amin’ny fitarihana ny tanora dia tsy latsa-danja noho izany fa tena zava-dehibe koa ny lafiny ara-batan’ireo tanora ireo. Ny mpitarika na mpanolotsaina tsirairay, na inona na inona toerana misy azy eo amin’ny lamin’asantsika dia tsy maintsy manaiky ny fepetra ara-moraly mba hiarovana ireo tanora eo ambany fitarihany amin’ny loza ara-batana. Io adidy ara-moraly amin’ny fikarakarana io dia hamafisin’ny andraikitra araka ny lalàna hany ka raha toa ka tsinotsinoavina ilay adidy ara-moraly dia tsy afaka ny hiala amin’ny andraikitra araka ny lalàna mihitsy ny mpitarika rehetra raha sanatria ka misy fahavoazana vokatry ny asa ataon’izy ireo na fanadinoana.

Inona no fikarakarana sy fitandremana iraisana ka eken’ny rehetra fa tokony horaisin’ireo mpitarika sy mpanolotsaina? Sarotra ny mamaly izany satria dia miovaova hatrany ny andraikitra sy fitandremana tokony horaisina amin’ireo tanora. Izany dia miankina amin’ny taonany sy ny fahamatoran’izy ireo. Ny tanjona dia ny hanaovana fandaharan’asa tsy ahitan-doza ary mila heverina sy dinihina ny mikasika ireto manaraka ireto :

1. ToeranaMoa ny toerana hitobiana sy hasiana ny lasy ary ny efitrano malalaka sy ny sisa ve tsy misy loza mananontanona na loza mety hitranga? Raha sanatria mety misy izany dia tokony halàna haingana.

2. FitaovanaMoa tena ara-dalana tsara daholo ve ny fitaovana? Tsy misy atahorana ve? Moa mifanaraka tsara amin’izay ilaina amin’ny fihetsehana hatao ve ny fitaovana?

3. Fanaraha-masoNy fanaraha-maso ilaina ho an’ny tanora dia miankina betsaka amin’ny taonan’izy ireo ka noho izany dia miovaova. Mazava ho azy fa ny tanora 10 taona dia mila fanaraha-maso bebe kokoa noho ny tanora 20 taona izay efa mahatsapa sy manaiky ny maha tompon’andraikitra azy ireo amin’ny ataony kanefa na izany aza dia ilaina foan any fanaraha-maso.

4. Karazana fihetsehanaIreo fihetsehana izay mahery vaika mety hitera-doza toy ny fitsimbikinana amin’ny hoditra mivelatra iray voafatotra fingotra ny sisiny manodidina (trampoline) dia atao izay ialana aminy ary mila dinihina sy fitandremana tsara ny mikasika ireto manaraka ireto:

a. Ny fifandanjan’ny fihetsehana sy ny taonan’ny tanora mandray anjarab. Ny fahaiza-manaon’ireo olona miandraikitra sy ny mpanara-maso, izany hoe raha

adika dia ireo fandaharana fanatanjahan-tena kasaina atao dia tsy maintsy efa misy mpiandraikitra matihanina sy efa mahay tsara ilay fihetsehana mba hanara-maso izay vao azo atao ilay izy.

d. Ny fananana ireo fitaovana rehetra mifandraika sy antonona ary mifanaraka tsara ho amin’ny fiarovana toy ny hoe akanjo famonjen’aina ho an’ny lalao eny ambony rano na anaty sambo, satroka vy fiarovan-doha ho an’ny mitaingina soavaly sy ny sisa.

Ilay sampana dia afaka mandamina mba hananana fiantohana ara-dalàna izay mahasehaka ny fiarovana rehetra ho an’ny mpitarika sy ny mpanolotsaina – na karamaina izy ireo na olona

85

manolo-tena fotsiny – kanefa izany fiantohana izany dia tsy midika ho fanaovana antsirambina ireo adidy sy andraikitra ny amin’ny fitandremana tokony homena ireo tanora sy ankizintsika ireo. Tsy misy mihitsy fiantohana izay hahafa-po tanteraka ka ahaantoka ny faharatrana sy ny fahafatesana.

Ireo mpitarika ny tanora rehetra dia tokony hampiana-tena mba hitandrina sy hahafantatra ireo loza mety hitranga. Raha toa ianao ka mpitarika tanora na mpanolotsaina dia nankinina taminao ny fitokisana ny amin’ny fikarakarana sy fitandremana ireo ankizy ireo ary tsy azonao atao velively ny hamindra izany fitokisana sy andraikitra izany. Izany dia mitaky aminao ho tsy maintsy manana ny fahaizana ilaina rehetra momba ireo fihetsehana izay ataon’ny kliobanao.

Mety hitranga ny loza sy atambo na ratra kanefa dia aza avela ho ny tsy fitandremana avy aminao amin’ny fampiasana toerana mampidi-doza na fitaovana tsy mifanaraka amin’izany, eny na koa ny tsy fananana mpanara-maso matihanina sy mahay ilay fihetsehana no hahatonga ny loza. Nekenao ny andraikitra ho mpitarika na mpanolotsaina satria nahaliana sy navesa-danja taminao ny lafiny ara-panahin’ireo ankizy ao am-piangonantsika ireo. Dia tahaka izany koa ny maha-mavesa-danja ny mikasika ny ara-batan’izy ireo.

FANONTANIANA MILA DINIHINA TSARA IZAY MIFANDRAIKA AMIN’NY FIHETSEHANA

Tsy azonao ialana mihitsy ny andraikitra manokana tananao ny amin’ny fiarovana ireo ankizy mandray anjara amin’ny fihetsehana ireo. Amporisihina mihitsy aza ny handinihana sy hiheverana tsara ireo fanontaniana manaraka ireto mialohan’ny hanaovana ny fihetsehana rehetra ao amin’ny fandaharan’asa:

Moa ve ilay fihetsehana atolotra sy tiana atao tena ilaina?mahaliana?ary tsy misy fitadiavana tombony?

Raha toa ka tena ilaina sy mahaliana, moa ve kely ny loza mety haterany?azo ekena ihany ny loza mety haterany?tena makadiry ny loza mety haterany?

Moa ireo antony mety hahatonga ny loza azo leferina?tena tsy azo ekena mihitsy?

Moa ireo mpanara-maso afaka manaraka ve ampy tsara ny isany?ampy tsara ny fahaiza-manao ananany?

Moa ve ireo fitaovana ilaina mba ara-dalàna sy mety tsara?tsy azo antoka mihitsy amin’ny lafiny rehtra?

Moa ve ireo fitaovana mety sy azo antoka mba misy sy ampy ny isany?tsy misy na tsy ampy isa?

86

NY ADIDY SY ANDRAIKITRA AMIN’NY FIKARAKARANA SY FITANDREMANA

Ny rehetra dia tsy afaka miala fa voakasika amin’io “andraikitra ny amin’ny fikarakarana sy fitandremana” io ary indrindra indrindra ireo izay tafiditra ao amin’ny fitarihana ny tanora. Io adidy sy andraikitra io dia manana endrika roa ho an’ireo izay miasa ho an’ny ankizy: ara-pitondrantena (ara-moraly) sy araka ny lalàna.

Ny adidy ara-pitondrantena no faratampony ary tokony ho fototry ny hery manosika rehetra ao amin’ny fandaharan’asan’ny tanora. Mampalahelo anefa fa matetika dia misy ny fotoana izay tsy dia ankasitrahan’ireo mpitarika loatra izany adidy ara-pitondrantena izay tokony hokarakarain’izy ireo izany kanefa izany hahasoa ny lafiny ara-batan’ireo ankizy eo ambany fitarihany ireo. Noho izany dia mila omena lanja sy dinihina ny mikasika ny “Adidy amin’ny fikarakarana”.

Tahaka izao no fomba nilazan’i Lord Atkin ny fitsipika fototra rehefa namoaka ny didim-pitsarana nikasika an’i Grant sy Australian Mills (1936) izy:

“Ny fitsipika izay milaza fa tsy maintsy mitia ny namanao ianao dia manjary lalàna, tsy azonao atao ny mandratra na manompa ny namanao; ny fanontanian’ilay mpanao lalàna iray nanao hoe: ‘iza moa no namako?’ dia nahazo valiny henjana. Tsy maintsy mitandrina tsara ianao mba hialana amin’ny fihetsika natao na fanadinoana izay hitanao mialoha fa mety handratra ny namanao. Iza izany no namako araka ny lalàna? Ny valiny dia ho tahaka izao: ireo olona rehetra izay voakasika akaiky sy mivantana amin’ny asa na fihetsika ataoko izay tokony hoeritreretiko lalina ho tena voakasika rehefa nampifantoka ny saiko amin’ireo asa vita na ireo adino tamin’ny foto-kevitra noresahina.

Ny tsy fahatanterahan’io “Adidy amin’ny fikarakarana sy fitandremana” io dia azo sokajiana ho fanaovana an-tsirambina ary mety hiteraka sazy araka ny lalàna, sy ireo faharatrana mety haterak’izany fanaovana an-tsirambina izany.

NY FANAOVANA AN-TSIRAMBINA

Mba hahafantarana raha nisy ny fanaovana an-tsirambina dia fanontaniana telo matetika no apetraka:

1. Moa nisy adidy na fihetsika tokony ho natao tamin’ilay olona naratra ve?2. Raha nisy ny adidy, moa nisy ny fandikana izany na tsy fahatanterahan’izany ve? Mba

hahafantarana fa nisy ny tsy fanarahana ny fepetra dia apetraka matetika ireto fanontaniana ireto :

a. Moa natao ve ny adidy amin’ny fikarakarana?b. Moa azo nialana mba tsy hitranga ve ilay ratra na fahavoazana?

3. Moa ny fihetsika natao na tsy nataon’ilay olona izay voampanga fa nanao ny an-tsirambina ve no antony akaiky nahatonga ny fahavoazana?

SaMety ho nitranga ihany ny fahavoazana saingy tsy niankina velively tamin’ny fihetsik’ilay voampanga?

87

INONA AVY IREO LAZAINA FA TSIRAMBINA?

Maro ireo ezaka natao mba hamaritana ny atao hoe tsirambina, fa ny mety ho akaiky indrindra azo ekena dia ny famaritana nataon’i Alderson B ao amin’ny boky Blyth v Birmingham Waterworks Co. (1836)

“Ny tsirambina dia ireo tsy fanatanterahana ny tokony hatao izay heverina fa ny olona manan-tsaina sady tarihin’ny fahalalana ny tokony hatao izay hita fa ataon’ny olombelona araka ny tokony ho izy, na ny fanaovana ireo fihetsika na zavatra izay tsy hataon’ny olona manan-tsaina sy mitandrina ihany koa.”

Miseho amin’ny endrika maro samihafa ny tsirambina kanefa dia indreto misy ireo mpitranga matetika:

Toerana na fitaovana mampidi-doza na koa tsy ara-dalàna Fanarahana fihetsehana izay hita fa tena hampidi-doza Tsy fahatanterahan’ny fanomezana fitaovana azo antoka sy ara-dalàna na tsy fanomezana

antoka Rehefa fitaovana tahaka izany no nomena dia hampiasaina foana ihany Fanaraha-maso tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy Fahavoazana mitranga izay azo nosorohana ny fahatongavany

IREO TOERANA AMPIASAINA

Gorodona misy savoka malama Karipetra na tsihy efa simba Sisin-dalàna na lavarangana na tohatra simba Tsi-fahampiana na tsi-fetezan’ny fanazavana ny toerana Tora-pasika mampidi-doza, sns…

IREO FIHETSEHANA MAMPIDI-DOZA

Misy ireo fihetsehana sasantsasany izay mety ny momba azy mihitsy no mora ahitan-doza noho ny fihetsehana hafa ary noho izany dia manjary misy dikany be mihitsy ny “adidy amin’ny fikarakarana”

Afo Fikorisana amin’ny rano Fitaingenana soavaly Fihetsehana ara-batana (gymnastique) Fiatrehana toe-javatra tsy ampoizina (aventure)

FITAOVANA ARA-DALANA SY AZO ANTOKA

Ny fanekena handray anjara amin’ny fihetsehana rehetra izay hita fa hampidi-doza kanefa tsy manome ny fitaovana ara-dalana sy azo antoka ary tsy manome antoka fa

88

ampiasaina matetika izany dia tena hita fa manome toerana ny tsirambina izay hitera-doza avy eo. Handany andro sy hibahana toerana fotsiny raha hitanisa amin’ny tsipiriany ireo fepetra azo antoka ho an’ny fihetsehana rehetra ataon’ny tanora. Ny hany azo atao etoana dia ny mametraka ireo fitaovana fototra izay tena hoe tsy maintsy atao ny manana azy.

AfoTokony ho vonona eo ny fitaovana famonoana afo izay efa voasedra. Araho mandrakariva ny fiarovana ara-dalàna amin’ny afo mandritra ny fotoana rehetra

Fikorisana amin’ny ranoAkanjo aron’aina hanaovana amin’ny fotoana rehetraMarika izay mitsingevana apetraka eny ambony rano hamaritana ny toerana tsy azon’ny mpilomano aleha.Ireo mpamily ny lakana na sambo kely dia tokony ho za-draharaha ary nahazo alalana avy amin’ny manampahefana tompon’andraikitra amin’izany.Ireo mpanara-maso dia tokony ho olona matotra araka ny taona sy ny fahaiza-manao takiana amin’izany.Ny sambo kely na lakana dia tokony ho fantatra ara-dalàna tsara ary manana ny fiantohana araka ny tokony ho izy.

Fitaingenana soavalySoavaly mankatò tsaraSatroka vy fiarovan-doha

Fanatanjahan-tena (gymnastique)Fitaovana ari-fomba sy voakarakara tsaraKaripetra na tsihy araka ny tokony ho izyKiraro na aro tongotra mifandraika tsara amin’izany

Fitsidihana lavabatoSatroka vy misy jiro mipetaka eo aminyJiro fanazavana hafa ankoatr’io. Akanjo mifanaraka tsara amin’izany.

FANARAHA-MASO

Ny fanaraha-maso mifanaraka tsara amin’ny tokony ho izy dia isan’ny antony fototra hamaritana raha nisy ny fanaovana an-tsirambina. Izany dia tsy maintsy ho :

Araka ny tokony ho izyIreo tarika na gropy izay misy tanora kokoa ny taonany na vantombatony dia

tena mila ny fanaraha-maso akaiky tokoa

Mitohy tsy tapakaNy hetsika ataon’ny gropy dia tsy maintsy ampiarahina daholo ary tsy maintsy

eo ambany fanaraha-maso mandrakariva

Araka ny fahakingana ilainaIreo mpanara-maso ho amin’ny fikorisana amin’ny rano dia tokony manana ny

fahaiza-manao sy efa za-draharaha amin’ny fikorisana amin’ny rano

89

Ireo mpanara-maso amin’ny filomanosana kosa dia tokony ho olona tena kinga tokoa amin’ny filomanosana eo amin’ny tetika sy ny fahaiza-manao rehetra amin’ny famonjena aina.

Ny fitaingenana soavaly dia tokony ho olona tena kinga amin’ny fihazonana soavaly no manara-maso izany.

Ny fanaovana fanatanjahan-tena kosa dia tokony ho eo ambany fanaraha-mason’ny olona manana talenta sy kinga amin’ny fanaovana izany

Ny fitsidihana lavabato dia tokony hotarihin’ny olona efa manana traikefa sy za-draharaha amin’ny lavabato izay hotsidihina.

Raha toa ianareo ka tsy manana ireo olona kinga sy havanana takiana eo amin’ny fanaraha-maso dia foano ilay fihetsehana na hetsika tiana atao.

IZA IREO AZO ENJEHINA ARAKA NY LALANA?

Ny ankamaroany, na ny rehetra mihitsy aza, amin’ireto lazaina manaraka ireto dia azo enjehina araka ny lalàna noho ny fahavoazana izay nateraky ny tsirambina nataony:

Ireo olona izay tompon’andraikitra mivantana nahatonga ny fahavoazana:

Ireo mpiandraikitra sy mpitarika ny tanora rehetra araka ny ambaratongany avy:Ireo talen’ny MpisavalalanaIreo mpanolotsain’ny MpisavalalanaIreo talen’ny lasyIreo talen’ny departemantan’ny tanora eo anivon’ny federasionaNy fiangonanaNy tompon’ny fitaovana simba sy tsy ara-dalàna na koa ny toerana

Raha atao amin’ny teny fohy dia ny rehetra na iza na iza nandray anjara tamin’ny nahatongavan’ny fahavoazana, na izy nandray anjara mivantana na noho ny tsy fanaovana ny tokony atao na fanaraha-maso izay tokony ho natao.

FIAROVANA AMIN’NY FIANTOHANA

Aloavy ireo fiantohana izay tafiditra amin’ireo sahanin’ny diviziona

RAHA SANATRIA MITRANGA NY FAHAVOAZANA

NY TOKONY HATAO1. Ataovy ny vonjy taitra araka ny ilàna azy kanefa fero ho amin’ny asa vonjy taitra

ho an’izay tena mila izany

2. Ataovy haingana araka izay azo atao ny hananana olona matihanina sy kinga ho amin’ny fikarakarana.

3. Raha toa ka mila alefa any amin’ny toeram-pitsaboana ilay tratry ny fahavoazana dia miantsoa fanampiana avy amin’ny fiara mpitatitra avy amin’ny hopitaly na toeram-pitsaboana (ambulance) raha toa ka azo atao ny miantso azy.

90

4. Ilazao haingana araka izay azo atao ny ray aman-dreny na ny mpiantoka.

5. Fenoy ho an’ny tsirairay tra-pahavoazana ireo taratasy fanaovana tatitra mikasika ny fahavoazana ary asio fanamarihana mari-pototra momba ny zavatra nitranga.

6. Alefaso any amin’ny Foibe advantista misahana ny fiantohana (Adventist Risk Management) amin’ny alalan’ny mpitantsoratra/mpitahiry vola ao amin’ny federasiona misy anao ny tatitra mikasika ny zava-nitranga. Ny tsy fahavitana ny fanamarihana ho an’ny mpiantoka dia mety hiteraka fandavana ny fitarainana any aoriana any.

7. Raha sanatria ka tena fahavoazana mafy na faharatrana mafy, eny mety ho sanatria fahafatesana mihitsy aza, no mitranga dia ataovy eo noho eo amin’ny alalan’ny antso an-tariby ny filazana any amin’ny Foibe advantista misahana ny fiantohana (Adventist Risk Management)

8. Raha toa ka nisy fitarainana natao dia tokony ho vita tatitra haingana izany, ary raha natao an-tsoratra izany dia mihazòna dika iray mitovy ho anareo saingy alefaso any amin’ny Foibe advantista misahana ny fiantohana (Adventist Risk Management) ny taratasy rehetra.

9. Miaraha miasa tanteraka amin’ny Foibe advantista misahana ny fiantohana sy ireo olona votendrin’ny trano fiantohana hisahana ny fahavoazana.

10. Tonga dia alefaso haingana any amin’ny foibe ireo taratasy rehetra (tsy ny dika mitovy akory) izay voarainao mifandraika amin’ny fitarainana.

11. Manehoa mandrakariva fahalianana sy fahalemem-panahy araka izay azo atao amin’ireo niharam-pahavoazana sy ireo fianakaviany kanefa tandremo tsy hanao ireto “tsy tokony hatao” izay atao lisitra eto ambany ireto.

RAHA SANATRIA MITRANGA NY FAHAVOAZANA

NY TSY TOKONY HATAO

1. AZA ATAO MIHITSY NY MANAIKY NY MAHA TOMPON’ANDRAIKITRA NY AMIN’NY FAHAVOAZANA:Tena fara-tampony izay manan-danja tokoa io. Raha toa ianao manaiky ny maha tompon’andraikitra dia mety hino sy hieritreritra ireo mpiantoka fa nisy ny tsirambina sy tsy fanarahana ny fepetra tokony ho narahina hany ka tsy handà ny ho voaray ao anatin’izany izy ireo. Raha toa ka mitranga izany dia ho tompon’andraikitra tsirairay amin’ny onitra omena ireo niharam-pahavoazana ireo rehetra voasoratra ao anatin’ny fitarainana.

2. AZA ATAO MIHITSY NY MILAZA NY HEVITRAO MIKASIKA NY ZAVATRA NITRANGATATITRA: lazao fotsiny ireo zavatra nitranga ary amporisiho ireo vavolombelona nanatri-maso mba hanao filazana tahaka izany koa.

91

3. AZA MANOME FANOMEZANA NA FAMPANANTENANA HO AN’IREO TRA-PAHAVOAZANA: ny fanaovana izany dia mety hanafoana ny anjara andraikitry ny mpiantoka.

FAMPAHAFANATARANA MIKASIKA NY FIFANARAHANA MITOHY HO AMIN’NY FIKARAKARANA SY NY FIANTOHANA ARA-PAHASALAMANA

Izahay, ray aman-dreny/mpiantoka an-dR……………………… (anaran’ilay zaza tsy ampy taona), izay manao sonia eto ambany dia manaiky ny hanaovana fitarafana amin’ny alalan’ny “rayon X”, fanatoranana, fizahana ara-pahasalamana, fizahana ho amin’ny fandidiana na fitsaboana, izay lazain’ny mpitsabo ………………. (anaran’ilay mpitsabo), M.D., na izay mety ho mpitsabo antsoin’ny sekoly na ny fikambanana, fa tsy tena lehibe loatra ka tsy misy atahorana ny fitsaboana, raha toa ka atao ao amin’ny biraon’ilay mpitsabo voalaza anarana na any amin’ny hopitaly nahazo alalana ilay fitsaboana lazaina. Mazava ho azy fa hisy ny ezaka atao mba hifandraisana sy hilazana amin’ireo ray aman-dreny na mpiantoka manao sonia eto ambany alohan’ny hirosoana amin’izany fitsaboana izany. Manaraka izany koa dia mazava ho azy fa hisy ny ezaka atao mba hifandraisana amin’ilay dokotera voalaza anarana eo ambony io alohan’ny hiantsoana mpitsabo hafa.

Midika izany fa ity fifanarahana ity dia omena mialohan’izay fijerena manokana rehetra atao na fitsaboana izay mety hitaky sy mila omena alalana ________ (anaran’ilay fikambanana miandraikitra ny fiantohana ilay zaza tsy ampy taona) mba hanao ny faran’izay tsara indrindra vitany ho amin’ny fitsaboana na fizahana izay takian’ny zava-misy.

Ity fifanarahana ity dia mitohy manan-kery mandritra ny iray taona raha tsy hoe misy fisintonana izany mialoha atao an-tsoratra ary nomena ny mpitsabo voalaza anarana na nomena ilay fikambanana nametrahana ny fitokisana ilay zaza tsy ampy taona voalaza.

Daty: _______________________Ray: __________________________________________________Reny: _________________________________________________Mpiantoka: _____________________________________________

Vavolombelona: _______________________________________________

FANDAHARAM-POTOANA

92

KILASIM-PANDROSOAN’NY MPISAVALALANANY ASA AO AMINN’Y KILASIM-PANDROSOAN’NY

MPISAVALALANA

Raha jerena ny fandaharam-potoan’ny Mpisavalalana dia hita fa maro ireo sehatra voakasika ao anatin’izany mba ho fampivelarana mirindra ho an’ny Mpisavalalana iray.

“Ny ankizy dia tokony hofanina mba ho tonga misionera; tsy maintsy ampiana izy ireo mba hahatakatra mazava tsara ireo zavatra tsy maintsy ataony mba ho voavonjy” Counsels to Parents, Teachers, and Students, p. 168. Ary ny tena fiomanana tsara ho amin’izany dia ny “fampivelarana mirindra tsara eo amin’ny hery ara-batana, ara-tsaina ary ara-panahy. Manomana ny mpianatra hanana fifaliana ho amin’ny fanompoana eto amin’izao tontolo izao ity izany ary koa ho amin’ny fifaliana ambony lavitra dia ilay fanompoana ho amin’ilay tontolo ho avy”. Education, p.13

“Satria samy manana ny anjara asany avy ny lehilahy sy ny vehivavy eo amin’ny asa ao an-tokantrano dia tokony hahazo ny fahalalana mikasika ny asa sy andraikitra ao an-tokantrano koa ny tovolahy sy ny tovovavy. Ny fanamboarana fandriana sy ny fampirimana trano, ny fanasana lovia, ny fikarakarana sakafo, ny fanasana sy ny fikojakojana ny fitafiany, ireo rehetra ireo dia tsy mampihen-danja ny maha-lahy ny tovolahy akory sanatria ; mainka manome fifaliana ho azy aza ary mahatsiaro ho tena ilaina. Ny ankizivavy kosa raha toa ka mba afaka mianatra … mampiasa tsofa sy maritoa ary ny “rateau” sy angady kely fanalana ahi-dratsy, dia ho hita fa afaka hifanehatra tsara amin’ireo zavatra ilaina maika eo amin’ny fiainana izy ireo”. Education, pp. 216-217

Avy amin’ny alalan’ny fianarana an’io sy ireo hafatra hafa mitovy aminy no ahafahan’ny kilasin’ny Mpisavalalana mivelatra ary ireo fepetra rehetra takiana ho an’ireo kilasy ireo dia mifototra amin’izany torolalana izany. Noho izany dia tafiditra ao anatin’izany ny fianarana Baiboly sy zavaboary (natiora), ny fianarana ireo zavatra ilaina sy manampy amin’ny fikarakarana tokantrano, manampy amin’ireo fihetsehana atao eny an-kalamanjana, ny vonjy taitra, ny fahasalamana sy fahadiovan’ny olona sy ny tokantrano, ny fitaizam-batana ary ny fanompoana atao hoan’ny hafa.

Ireo rehetra ireo dia hanampy ny tanora hahita fahafinaretana marina eo amin’ny fijoroana vavolombelona ary hahatonga azy ireo ho isan’ny tafika lehiben’ny tanora Advantista izay manokana ny talentany sy ny heriny rehetra ho an’i Kristy. Vonona ny hanome tanana ho amin’ny famonjena maika raha ilaina izany ka hamadika izany ho voninahitr’ilay Mpitarika Lehibe. Ny kilasin’ny Mpisavalalana dia miovaova ny fomba hanononana azy arakaraka ny teny ampiasaina saingy tsy miantsy misy kilasy enina foana eo amin’ny kilasim-pandrosoana izay enina taona no hanaovana azy ho an’ny fanandraman’ny Mpisavalalana.

Iray amin’ireo tanjona fototra ao amin’ny klioban’ny Mpisavalalana dia ny manomana tanora hiatrika ny fiainana sy ny pitsopitsony ary hanampy koa ny tanora ho tonga tanora ilaina ho an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona aminy. Tokony hiankina betsaka amin’izany tanjona izany ny fanomanana ny fandaharam-potoan’ny kilasin’ny Mpisavalalana. Noho izany dia tena manan-danja tokoa ho amin’ny fitarihana ny Mpisavalalana ho amin’ny fandaharana ho amin’ny fampivelarana ny tenany ireo kilasim-pandrosoana.NY KILASIM-PANDROSOAN’NY MPISAVALALANA SY NY SEKOLY

93

Satria ny talen’ny klioba dia manana adidy amin’ny fanaraha-maso ny fahatanterahan’ireo fepetra takiana ao amin’ny kilasin’ny Mpisavalalana, ny talen’ny Mpisavalalana kosa dia tokony ho any amin’ny sekoly ka hanao fandrindrana mba hisy ny fiaraha-miasa eo amin’ny atao any an-tsekoly, ary dia manohy mifandray tsy tapaka amin’ny sekoly eo amin’ny fandrosoan’ny asan’ny kilasin’ny Mpisavalalana. Ireo fihetsehana fanokanana na fanomezana fandrosoana (investiture) dia tokony halamin’ny talen’ny klioban’ny Mpisavalalana miaraka amin’ny tale na ny mpandrindran’ny departemantan’ny tanora miara-miasa amin’ny sekoly.

Any amin’ny toerana rehetra izay misy sekoly sy fiangonana ka manana Mpisavalalana/tanora ao amin’ny kilasin-taona mitovy, dia tokony hiara-miasa akaiky ny mpampianatra ao amin’ilay sekoly sy ny klioban’ny Mpisavalalana mba hanampiana ireo Mpisavalalana hahavita sy hahatontosa ireo fepetra takiana ao amin’ny kilasiny. Azon’ny sekoly atao ny manohana amin’ny alalan’ny fanampiana eo amin’ny fanatontosana ireo rakitra an-tsoratra ataon’ny ankizy rehefa vita ny fandinihan’izy ireo sy ny boky vakiana takiana ao amin’ny fepetra, fa ny klioba kosa no hanampy amin’ireo talenta sy fahaiza-manao takiana. Ho mora ho an’ny sekoly ny hanampy ny Mpisavalalana hahatontosa ireo mari-boninahitra na fahaiza-manao amin’ny alalan’ny fandrindrana izany ao anatin’ny kilasy izay fanao isan’andro. Dia afaka hanampy eo amin’ny lafiny hafa koa ny klioba mba hahazoana mari-boninahitra na fahaiza-manao hafa izay sarotra ho an’ny sekoly ny hanatanteraka azy.

Iray amin’ireo fepetra takiana izay sarotra ho an’ny fandaharan’ny kilasy ny hanatanteraka azy tokoa ny fahaizana milomano. Fahaiza-manao tena sarobidy tokoa izy io ary ny rehetra dia tokony hankafy azy io. Ny fahaizana mihazona olona ao anaty rano rehefa sanatria mitranga ny loza dia tena azo lazaina tokoa fa fomba iray famonjena aina. Azon’ny klioba atao ny mandrindra fotoana hianarana milomano mandritra ny taona amin’izay fomba izay dia ho vita sy tontosa ilay fepetra takiana.

KILASIM-PANDROSOAN’NY MPISAVALALANA LALINDALINA KOKOA

Ny kilasim-pandrosoana tsirairay ao amin’ny sampana Mpisavalalana dia samy manana ny sehatra lalindalina kokoa avy isaky ny fizarana tsirairay. Ireo sehatra ireo dia natokana ho an’ireo Mpisavalalana mitady zavatra mandrakariva izay hahatonga azy ireo mba handroso lalindalina kokoa hatrany. Izany sehatra izany dia tsy maintsy atao ho fanampin’ny fepetra takiana tsotra izay hita ao amin’ny lisitra raha toa ka misafidy ny handroso ho amin’ny dingana manaraka ilay Mpisavalalana. Misy marika efa vita ka natokana ho amin’izany atolotra mandritra ny “Investiture” mba ho fanamarihana fa vita ilay dingana lalindalina kokoa.

IREO MARI-BONINAHITRA NA FAHAIZA-MANAO MANOKANA HO AN’NY TANORA ADVANTISTA (J.A.)

“Araka ny tokony ho izy dia tokony ho azo tsapain-tanana sy hita fa ilaina sy ampiasaina ireo fihetsehana rehetra izay hahazoan’ny tanora tombotsoa be indrindra. Ny zazakely dia tokony sady hahita fahafinaretana no fivelarana ao amin’ny kilalao ataony; ary ny fanatanjahantena izay ataony dia tsy ho fanabezana ny vatany fotsiny fa ho fivelaran’ny sainy sy fitomboan’ny toe-panahiny koa.

Rehefa mitombo ny tanjany sy ny faharanitan-tsainy dia ho hita taratra eo amin’ny ezaka ataony izay ilaina tokoa ny fiforonana vaovao nisy tao aminy. Ireo toe-javatra izay manofana ny tanana ho mpanampy ary mampianatra ny tanora hizaka ny anjara entana na

94

olany eo amin’ny fiainana dia tena misy dikany tokoa eo amin’ny fampivelarana sy fampitomboana ny sainy sy ny toetrany… Tena zava-dehibe ilain’ny tanora tsirairay avy tokoa ny handray fahalalana matotra eo amin’ny asa aman’andraikitra fanao isan’andro”. Education, pp.215-216

Mandritra ireo taona lalovany ao amin’ny kilasim-pandrosoan’ny Mpisavalalana, ny tanora dia faly tokoa miasa mba hahazo ireo mari-boninahitra na fahaiza-manao ao amin’ny Tanora Advantista ary finaritra koa izy ireo ny mampihatra sy mampiasa izany aorian’ny nahazoany azy.

FOMBA HAHAZOANA MIHAZONA NY HAFANAM-PO HO AN’NY MARI-BONINAHITRA MPISAVALALANA

A. Asio daty mipetraka tsara ho amin’ny fanatanterahana azyRehefa manomboka ny kilasim-pandrosoana dia manaova drafitra mba hamitàna ny

asa ao anatin’ny telo volana. Hanome ilay hafanam-po ilaina ho an’ny mpiantra izany mba hahafantarany fa mandroso hatrany ho amin’ny fanatanterahana ny kilasy. Raha toa sanatria mihoatra ny telo volana ny hahavitana azy ka hanjary hitohy ny telovolana manaraka izany dia miteraka fihenana eo amin’ny hafanam-po ka manjary sarotra ny mamita ilay izy avy eo.

B. Ataovy manana ny tombambidiny ny asan’ny kilasyRaha toa ka tiana hazonina eo amin’ny sehatra avo lenta ny fahalianana dia tsy

maintsy atao izay hahatonga ny kilasy hahafinaritra sy hahazoana fahalalana ary koa ilaina sy hanampy. Raha toa ka somary maivamaivana sy migoragora ireo fepetra takiana dia hanjary hihevitra ireo mpianatra fa toa tsy dia misy dikany loatra ireo mari-boninahitra na fahaiza-manao manokana. Alohan’ny hanomezana ny mari-boninahitra dia tokony hisy ny fitsapana mba hahitàna fa fantatr’ilay olona tsara ny mikasika ilay mari-boninahitra.

Tsy maintsy tanterahina daholo ireo fepetra takiana ao amin’ny mari-boninahitra. Varavarankely misokatra ho azy ireo izany hany ka ireo fepetra takiana amin’izany dia tena ireo faran’izay kely sy tokony ho hain’ny rehetra no nanadinana.

D. Boky fandraisana naoty ho an’ny kilasyIlaina tokoa ny boky fandraisana naoty mba hitehirizana ireo fahalianana rehetra ary

koa hanome ny mpianatra zavatra azony entina mody ka hahitany ireo zava-bita. Na ireo ray aman-dreny koa aza dia hahatsapa fa nahazo zavatra ilaina sy manan-danja ny zanany.

E. Ireo fepetra takiana tsy tanterakaIndraindray dia misy ireo fepetra takiana tsy tanteraka noho ny toe-javatra manodidina

misy antsika na antony hafa. Tsy misy mihitsy klioba afaka hanapa-kevitra fa tsy hanatanteraka fepetra sasantsasany satria tsy afaka atao eo amin’ny toerana misy azy ireo, ary dia hiray hevitra fa hofoanana ilay fepetra takiana. Tsy maintsy hampahafantarina ny talen’ny departemantan’ny tanora ao amin’ny federasiona ary dia izy no hanao sy hanaiky ny fanovàna amin’ireo fepetra takiana voasoratra. Rehefa azo io faneken’ny talen’ny departemantan’ny tanora ao amin’ny federasiona io dia manana fahafahana amin’izay ny klioba hanova ilay fepetra takiana araka ny toro-hevitra voaray. Raha toa ka mitranga io toe-javatra io, dia tokony hisy fepetra takiana mitovy lenta mahasehaka ny toe-tsaina nanaovana ilay fepetra takiana tamin’ilay voalohany apetraka tsara.

F. Fanatanterahana ireo fepetra takiana amin’ny mari-boninahitra natokana ho an’ny Mpisavalalana

95

Azo ampiasaina ireto torolalana manaraka ireto mba ho fanaraha-maso ireo fepetra takiana amin’ny mari-boninahitra Mpisavalalana.

Ny asa takiana rehetra dia tsy maintsy atao mihitsy. Tanterahina daholo ny fanontaniana tsirairay sy ireo fepetra takiana.

Ny mari-boninahitra rehetra dia tsy maintsy voasonian’ny mpampianatra, ny talen’ny departemantan’ny tanora ao amin’ny federasiona, ny Filoha Mpitarika, na ny talen’ny klioban’ny Mpisavalalana na ny mpampianatra ao amin’ny sekolim-piangonana. Ireo rehetra ireo dia atao amin’ilay taratasy manokana omen’ny federasiona hanaovana izany.

G. Amporisiho ny Mpisavalalana tsirairay mba hanatratra “Fankasitrahana Ambony” (Master Awards)Ireo mari-boninahitra na fahaizana manokana ao amin’ny Mpisavalalana dia voatsinjara sy voakilasy araka ireto manaraka ireto :

Asa tanana sy fahaizana manokana momba izany ary Fialam-bolyFahasalamana sy SiansaFahaizana mikarakara sy asa an-tokantranoIreo fahaizana manokanaAsa ho an’ireo any ivelan’ny fiangonanaNatiora/zavaboaharyFikarohana atao an-kalamanjana Fialam-boly

Afaka mahazo ny “Fankasitrahana Ambony” ny Mpisavalalana iray raha toa ka mahafeno ny fepetra takiana ka mahavita ny fito sokajy samihafa amin’ireo folo ao amin’ny Mari-boninahitra. Rehefa mahafeno sy mahavita ireo mari-boninahitra fito ao amin’ny sokajy iray ilay Mpisavalalana dia tokony hiteny amin’ny talen’ny Mpisavalalana izy mba hiresaka amin’ny talen’ny departemantan’ny tanora ao amin’ny federasiona mba hanamarina ilay “Mari-boninahitra Ambony”. Io “Mari-boninahitra Ambony” io dia tsaratsara kokoa raha atolotra mandritra ny fihaonan’ny klioba, na lasy, na ao am-pianarana, na ao am-piangonana na mandritra ny “investiture”, toy ny fanao amin’ny mari-boninahitry ny Mpisavalalana ihany.

H. Ny fotoanan’ny fanokanana na “Investiture”Anjara andraikitry ny talen’ny klioban’ny Mpisavalalana no mangataka ny Federasiona

mba hitarika io fotoanan’ny “investiture” io. Ireo rehetra izay handray ny fandrosoany amin’io “investiture” io dia tsy maintsy mampiseho ny karatry ny maha Mpisavalalana azy mba ho soniavin’ny talen’ny departemantan’ny tanora ao amin’ny federasiona izay hiandraikitra ilay “investiture”. Mazàna dia miaraka mandray an-tsoratra sy mitahiry ny anaran’ireo nahazo taratasy fanamarinana sy ny mari-boninahitra ary ireo mari-pandrosoana ny mpitantsoratry ny klioban’ny Mpisavalalana sy ny biraon’ny federasiona.

TAKARIVA FISORATANA ANARANA

96

Ny takariva fisoratana anarana no tokony ho fihaonana voalohany atrehin’ny Mpisavalalana amin’ny taona. Io fotoana io no tokony hanolorana ny fandaharam-potoana mandritra ny taona natokana ho an’ny klioban’ny Mpisavalalana amin’ny ray aman-dreny sy amin’ireo Mpisavalalana. Atolotra sy ampahafantarina amin’izany ny tanjona sy ny fetra tratrarina, ny fihetsehana sy ny fivoriana rehetra, na ara-pivavahana izany na ara-panabeazana. Tena ilaina tokoa ny fandaminana amim-pitandremana fatratra io takariva fisoratana anarana io. Tokony hanomboka ara-potoana tsara izany ary ho voafetra tsara ao anatin’ny oran’ny klioba ary mety hatao mandritra ny fivoriana takariva ara-potoana fanaon’ny klioba aza izany.

TOLO-KEVITRA HO AN’NY FANDAHARANA

Fiarahabana tonga soa sy fanolorana amin’ny Klioban’ny Mpisavalalana ireto manaraka ireto:

1. Ny ilàna ny fanamiana ary fanazavana ireo fepetra takiana2. Fanazavana ny latsak’emboka – inona no hampiasana azy ireo3. Fizaràna ireo fotoan-dehibe ao amin’ny fandaharana4. Fanazavana ny biraon’ny fikambanana ary fanolorana ireo mpikambana ao aminy5. Famenoana ny taratasy fisoratana anarana ho an’ny mpikambana ao amin’ny

Mpisavalalana, fanaovana sonia ary famerenana izany6. Famenoana ny karatra maha mpikambana ary asiana sary

RAFI-PANDAMINANA AO AMIN’NY MPISAVALALANA

1. Ny Mpisavalalana rehetra dia miditra ao anaty tarika daholo2. Ny mpanolotsain’ny tarika dia manolotra ny drafitra sy ny fandaharam-potoana

mandritra ny taona3. Mifidy kapiteny, mpitantsoratra ary anarana ny tarika4. Afaka manomboka ny fandaraham-potoana mandritra ny taona, io no herinandro

voalohany amin’ilay drafitra fampianarana natomboka isaky ny kilasy tsirairay, fampidirana ireo boky nofidiana hovakiana ao amin’ny klioba, ny lalàna sy ny voady, sns…

5. Ny tale mpanampy ao amin’ny Mpisavalalana dia afaka mandray andraikitra eo amin’ny fihazonana ny Mpisavalalana mandritra ireo fotoan’ny lalao.

FIHAONAN’NY RAY AMAN-DRENY(Miaraka amin’ny tale, mandritra ny fametrahana ny rafitra ao amin’ny Mpisavalalana)

1. Zarao ireo fitsipi-pifehezana sy lalàna mifehy ireo ray aman-dreny ary hazavao amin’izy ireo izany

2. Miaraha mifanakalo hevitra mikasika ny andraikitra samihafa ary amin’izany no ahitanao ireo talenta hafa fanampiny azo ampiasaina ho an’ny klioba

3. Raha ilaina sy ankasitrahany dia rosoy fanalana hetaheta izy ireo

FAMARANANA

1. Miara-mivory indray ireo ray aman-dreny sy ny Mpisavalalana rehetra mba handray ny torolalana avy amin’ny tale

2. Tsodrano

97

FOTOANA SY FANOMPOAM-PIVAVAHANA MANOKANAFAMPIDIRANA

Ireto tolo-kevitra ireto dia nalaina avy tamin’ireo tantara maro samihafa mikasika ny sampana tanora zandriny. Na dia hita aza fa zava-dehibe tokoa eo amin’ny fifandraisana aza ireto tolo-kevitra ireto satria hita fa nahomby, dia tsy midika akory izany fa ireto no lafatra na faratampony. Mety hisy fomba tsaratsara kokoa hanatanterahana ny anjara asa ary hanatrarana ny tanjona tian-ko tratrarina.

Na izany aza, ity fahafahana nomena ity dia tsy midika ho alalana hanajanonana ireo foto-kevitra fototra, saingy natao mba hananana fotoana iray tsy hadino na rahoviana na rahoviana ho an’ireo mandray anjara sy voakasika ao anatiny.

TOLO-KEVITRA HO AMIN’NY FOTOANA FANAOVANA VOADY

Ireto torolalana ireto dia natao ho an’ny fampanaovana voady ho an’olon-tokana ao amin’ny klioban’ny Mpisavalalana, kanefa dia azo ampiasaina koa ka ampifanarahana ho an’ny fikambanan’ny Tanora Zandriny (Adventist Junior Youth) ary azo amboarina ho an’ny olona maro izay hanao voady, na firy na firy ny isany.

Fanomanana

Fitaovana ilaina :1. Latabatra2. Marika ahafantarana ny Mpisavalalana (emblème)3. Fanevan’ny Mpisavalalana (bannière)4. Sainan’ny Mpisavalalana5. Sainam-pirenena6. Labozia maromaro : iray mirefy eo amin’ny 38 cm eo ho eo miloko fotsy; enina

mirefy eo amin’ny 25 cm eo ho eo ary mitovy loko amin’ny kilasin’ny Mpisavalalana/Tanora Zandriny ; valo mirefy eo amin’ny 20 cm eo ho eo miloko fotsy ho an’ny Lalàna ary labozia fito mirefy eo amin’ny 20 cm eo ho eo miloko fotsy mampiseho ny Voady.

Fomba fanatanterahana azy

Apetraho eo amin’ny toerana hanaovana voady ny latabatra. Aorian’ilay latabatra dia ataovy eo afovoany ilay marika (emblème) izay lehibe ahafantarana ny Mpisavalalana; eo ankavanan’io ny fanevan’ny Mpisavalalana misy ny voady misoratra aminy ary eo ankaviany kosa ny fanevan’ny Mpisavalalana misy ny lalàna. Eo afovoan’ny latabatra izay manoloana tsara ilay marika ahafantarana ny Mpisavalalana dia apetraho eo ilay labozia miloko fotsy mirefy eo amin’ny 38 cm eo ho eo mba haneho ny « Toe-tsain’ny Mpisavalalana ». Manoloana io labozia io dia apetraho ireo labozia enina mirefy eo amin’ny 25 cm eo ho eo: manga, mena, maitso, lokom-bolafotsy (mainty atao raha tsy misy ny lokom-bolafotsy), ran’ombalahy (burgundy) ary lokom-bolamena – labozia izay maneho ny kilasy enina ao amin’ny Mpisavalalana. Manoloana ireo labozia enina miloko ireo indray dia asio fitoeran-dabozia mba hametrahana ny labozian’ilay hanao voady mandritra ny fotoana fanaovana voady.

Manoloana indrindra ilay faneva misy ny lalàn’ny Mpisavalalana ary mifanitsy amin’ilay labozia maneho ny toe-tsaina sy toe-panahin’ny Mpisavalalana dia apetraho ka ataovy afovoany tsara ireo labozia fotsy valo mirefy eo amin’ny 20 cm eo ho eo. Apetraho

98

tahaka izany koa manoloana ny faneva misy ny voadin’ny Mpisavalalana ny labozia fotsy fito mirefy eo amin’ny 20 cm eo ho eo.

Ahantona eo amin’ny ankavanan’ny latabatra (raha manatrika ny mpivory ny mpandray anjara) ny sainam-pirenena ary avy eo ankavia kosa ny sainan’ny Mpisavalalana.

Alaharo araka ny tarika na andiany ny Mpisavalalana ka manao endrika « V » ary misokatra mankany amin’ilay latabatra misy labozia ny laharana. Mipetraka eo afovoan’ilay endrika « V » ilay ankizy hanao voady. Mitsangana eo ankavanan’ny latabatra ny talen’ny Mpisavalalana (manatrika ireo Mpisavalalana) ary ny tale mpanampy kosa mitsangana eo ankavian’ny latabatra (manatrika ireo Mpisavalalana).

Ny teny holazaina mandritra ny fotoana fanaovam-boady

Aorian’ny filazana fohy ataon’ny tale mikasika ny fizotry ny fandaharam-potoana amin’ireo hanao ny voady sy ireo nasaina manokana dia milaza izao teny izao izy: « Ambarako etoana ny fanatanterahana ny fotoana manokana hanaovana voady ho an’ny ____________________ klioban’ny Mpisavalalana ». (Maty daholo ny jiro ao amin’ilay efitra)

Ampirehetin’ilay tale ilay labozia maneho ny « toe-tsain’ny Mpisavalalana » sady miteny izy hoe : « Ho fanazavana ny fandaharam-potoanantsika dia mitodika aty amin’ny toe-tsain’ny mpisavalalana isika. Ity labozia izay ampirehetiko ankehitriny ity no maneho izany toe-tsaina izany. Toe-tsaina ho amin’ny fisedrana ireo zavatra tsy ampoizina, ho amin’ny fahafinaretana, fianarana, fisakaizana, fitandremana, fifohazana ary ambonin’izany rehetra izany dia ny toe-tsain’ny fiankohofana sy ny Toe-tsain’ny Fanompoana an’Andriamanitra sy ny olona. Tsy ampy ary tsy mahavita tena irery raha ity jiro iray ity. Mba hanolotra antsika indray ireo jiro fanampiny dia andeha antsointsika ny tale mpanampy _________________ (ny anarany) »

Mandritra ny fotoana handrehetan’ilay tale mpanampy ireo jiro tsirairay maneho ny kilasy dia tononiny na lazainy tsirairay ireo kilasy asehon’ny jiro araka izao manaraka izao: (azon’ny Mpisavalalana enina atao koa ny maneho ny kilasy):

Mpisavalalana/Sakaiza dia kilasy iray hianarana ny fahaiza-manao na talenta sy ny fitaizam-batana mba hanampy ny tsirairay ho tonga mpiara-monina tsaratsara kokoa ary ho sakaizan’Andriamanitra mandritra ny mandrakizay.

Mpisavalalana/Namana dia kilasy iray hianarana ny fahaiza-manao na talenta sy ny fitaizam-batana mba hanome heviny kokoa ny fiainana ary ho namana miaraka amin’i Jesosy Kristy isan’ora mandritra ny andro.

Mpisavalalana/Mpanazava dia kilasy iray hianarana taranja izay hanampy ny tsirairay hahita fisedrana vaovao amin’ny fikarohana sy fianarana ny tontolon’Andriamanitra mba hahazoana fifaliana goavana sy tena izy.

Mpisavalalana/Mpamaky Lay dia fianarana taranja izay hanokatra ho amin’ny sehatra vaovao eo amin’ny lafiny fikarohana eo amin’ny tontolon’ny zavaboahary sy ny ara-panahy mba hahazoana fifaliana mahatalanjona sy tena izy.

Mpisavalalana/Mpandeha Lavitra dia fianarana taranja fampivelarana ny ara-batana, ara-tsaina, ara-kolo-tsaina ary ara-panahy izay fihaikana lehibe ho an’ny tanora

99

vatombatony mba ho fampivelarana ny maha-izy azy manontolo sy ny fomba fiaina kristiana.

Mpisavalalana/Mpitarika dia fianarana taranja izay manindry sy manamafy kokoa ny fitomboan’ny tena manokana sy ny fikarohana ara-panahy ary manomana koa ny Mpisavalalana ho amin’ny fivelarana ho amin’ny talenta vaovao ho amin’ny fitarihana sy ny fahaizana mivelona ara-teknika.

Rehefa voarehitra daholo ireo labozia maneho ny kilasy enina ao amin’ny Mpisavalalana dia averin’ny tale eo ain’ny toerana nisy azy teo aloha ilay « Toe-tsain’ny Mpisavalalana ». Hazavainy amin’ny ankizy hanao voady amin’izay fa ilay labozia lehibe dia endrika maneho ny fandaharan’asan’ny Mpisavalalana, hanamafisany ny idealy ambony izay hijoroan’ny klioba sy ny fitomboana izay ho azon’ny Mpisavalalana amin’ny maha mambran’ny klioba azy. Antsoiny amin’izay ireo Mpisavalalana mba hanohy ny fandaharam-potoana amin’ny fampirehetana ireo labozia maneho ny Lalàn’ny Mpisavalalana.

Ankizy valo amin’ireo Mpisavalalana ambony kilasy indrindra, izay efa nofidiana mialoha, no mandrehitra ireo labozia maneho ny Lalàn’ny Mpisavalalana. Ny fifidianana azy valo ireo dia nianga avy amin’ny kilasin’ny Mpisavalalana, ny biraon’ny klioba, ny firaketana an-tsoratry ny klioba, ny mari-pandrosoana tsara indrindra ho an’ny Mpisavalalana, sy ny sisa. Manaraka izany dia mandeha tsirairay ireo Mpisavalalana valo ireo ka mamindra miatrana tsara mankeny aloha ary mitoraka « salut » ny tale, mandray ilay labozia maneho ny « toe-tsain’ny Mpisavalalana » ary mandrehitra ny iray amin’ireo labozia maneho ny Lalàn’ny Mpisavalalana. (Mamaly ny toraka « salut » tsirairay koa ny tale).

Rehefa averin’ilay Mpisavalalana amin’ny toerany ilay labozia maneho ny « Toe-tsain’ny Mpisavalalana » dia mamerina mitoraka « salut » ny tale izy sady miteny hoe « Tompoko, izaho dia misolo tena ilay tanora izay mivoady fa (mamerina ny iray amin’ireto famaritana ireto arakaraka ny labozia arehiny) ».

1. « Handinika ny fiambenana maraina », izay midika fa hanana ny fotoana hivavahana sy hianarana Baiboly manokana isan’andro aho

2. « Hanao ny anjarako am-pahatokiana », izay midika fa noho ny herin’Andriamanitra dia hanampy ny hafa aho ary hanao ny anjara asako sy hizara am-pahamarinana aho na aiza na aiza misy ahy

3. « Hikarakara ny vatako », izay midika fa hahalala onony amin’ny zavatra rehetra aho ary hiezaka mba hahatratra ny fetra ambony amin’ny fitaizam-batana

4. « Mijery manatrika tsara », izay midika fa tsy handainga aho na hisoloky na handiso fanantenana ary hanalavitra ireo resaka maloto sy eritreri-dratsy.

5. « Mahalala fomba sy mankatò », izay midika fa halemy fanahy sy hihevitra ny hafa, hanapariaka ny taratry ny fitiavan’i Jesosy ao amin’ny fikambanako rehetra amin’ny hafa.

6. « Mamindra moramora ao am-piangonana », izay midika fa mandritra izay fivoriana ara-panahy rehetra dia hangina tsy hitabataba, hitandrina tsara ary haneho fanajana sy fiankohofana.

7. « Mihira am-po mandrakariva», izay midika fa ho sariaka sy faly ary hanao izay hampisy fiantraikany ny fiainako ho toy ny tanamasoandro amin’ny hafa

8. « Mikarakara ireo raharahan’Andriamanitra » izay midika fa ho vonona mandrakariva aho ny hizara ny finoako ary handeha hanao asa tsara tahaka ny nataon’i Jesosy.

100

Rehefa voarehitra daholo ireo labozia maneho ny Lalàn’ny Mpisavalalana dia manambra izao ilay tale mpanampy « Amin’ny anaran’ny klioban’ny Mpisavalalana maneran-tany dia manaiky ny voadin’ilay tanora fa hitandrina ny lalàn’ny Mpisavalalana aho ».

Dia miantso ho amin’ny fandrehetana ireo labozia maneho ny Voadin’ny Mpisavalalana indray ny tale. Dia toy ny natao tamin’ny fandrehetana ireo labozian’ny lalàn’ny Mpisavalalana ihany no atao fizotry ny fandaharana ka arahin’ireo Mpisavalalana fito izay ambony kilasy indrindra. Isaky ny mirehitra ny jiro tsirairay dia mamerina izao teny izao amin’ny tale ilay Mpisavalalana: « Tompoko, izaho dia misolo tena ilay tanora izay mivoady fa (mamerina ny iray amin’ireto famaritana ireto arakaraka ny labozia arehiny ) »

1. « Noho ny fahasovan’Andriamanitra », izay midika fa amin’ny fiankinako irery ihany amin’Andriamanitra mba hanampy ahy no ahafahako manatanteraka ny sitrapony.

2. « Sitrako ny ho madio », hameno ny saiko amin’ny zavatra marina sy madio ary handany ny fotoanako amin’ny fihetsehana izay hamolavola toetra matanjaka amin’ny fahadiovana

3. « ho maha te ho tia », tsy ho amin’ny namako ihany no ho malemy fanahy sy mihevitra ny hafa aho fa amin’ny olona rehetra noharin’Andriamanitra koa.

4. « ho mahatoky », ho mahatoky sy hijoro hanao ny marina aho amin’ny fianarako, ny asako sy ny lalao ataoko ary azo itokisana hanao ny tsara indrindra vitako

5. « Sitrako ny hitandrina ny lalàn’ny Mpisavalalana », ataoko izay fomba rehetra hahatakarako ny hevitry ny lalàn’ny Mpisavalalana ary hiezaka amin’ny heriko rehetra aho ny hiaina araka ny toe-tsain’ny lalàn’ny Mpisavalalana amin’ny fahatsapana fa ny fankatoavana ny lalàna dia tena zava-dehibe tokoa eo anivon’ny fikambanana, na inona izany na inona.

6. « Sitrako ny ho mpanompon’Andriamanitra » izay midika fa vonona aho ny hivoady fa ataoko lohalaharana sy vodi-laharana ary amin’ny tsara indrindra vitako ny hanompo an’Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra iantsoana ahy sy hampanaovina ahy.

7. « Hihavana amin’ny olona rehetra » izay midika fa hiaina ho fitahiana ho an’ny hafa aho ary hanao izay azoko atao amin’izy ireo araka ny itiavako mba hataony amiko koa.

Rehefa vita tanteraka ny fandrehetana ireo labozia maneho ny Voadin’ny Mpisavalalana dia manambra izao manaraka izao ny tale mpanampy « Amin’ny anaran’ny Klioban’ny Mpisavalalana maneran-tany dia manaiky ny voady teo izay hiaina araka ny Voadin’ny Mpisavalalana aho ».

Mangataka ny mpikambana ao amin’ny klioba mba hitsangana ny tale, ilay tanora vao hiditra kosa dia antsoina mba ho eo anoloan’ny latabatra sady ao afovoan’ny tale sy ny tale mpanampy, manatrika ny mpikambana ao amin’ny klioba ary miatrana tsara. Manontany azy ny tale mba hanamafy ny fanokanany tena ho amin’ny fenitra ambonin’ny Klioban’ny Mpisavalalana ary hamerina ny Voady sy ny Lalàn’ny Mpisavalalana. (Raha toa ka mihoatra ny iray ny tanora hanao izany voady izany dia miaraka mamerina indray mandeha ny Lalàna sy ny Voadin’ny Mpisavalalana izy ireo).

Rehefa vita ny famerenana ny Voady sy ny Lalàn’ny Mpisavalalana ataon’ireo nanao voady dia miteny izao manaraka izao ny tale, « Izahay manatrika etoana dia manambara fa ______________ (anaran’ilay tanora) dia nekena ho mpikambana ao amin’ny _________ Klioban’ny Mpisavalalana ato amin’ny Federasiona __________ an’ny fiangonana advantista

101

mitandrina ny andro fahafito. Efa voaseho amin’ny alalan’ny labozia (toloran’ny tale mpanampy labozia fotsy iray izy) ianao, izay azo narehitra avy tamin’ny labozian’ny « Toe-tsain’ny Mpisavalalana » ary hapetraka eo amin’ny fitoerany eo afovoan’ny latabatra eo aloha. (Ampirehetin’ilay Mpisavalalana avy amin’ilay labozia mirefy tokony ho 35 cm ny labozia eny aminy ary avy eo apetrany eo amin’ny fitoeran-dabozia). Ny jironao dia nanampy tao amin’ny kliobanay ary ankehitriny dia takianay ianao eto anatrehan’ireto Mpisavalalana ireto mba hamela ny jironao hazava sy hamiratra eo anatrehan’ny hafa amin’ny alalan’ny Teo-tsain’ny Mpisavalalana. Angatahintsika ankehitriny ny tale mpanampy mba hivavaka amin’Andriamanitra hanomezany anao hery mba hiaina araka ny fenitra ambony iainan’ny kliobantsika ary mba ho mambran’ny klioba mahatoky sy marina.

Tarihin’ny tale mpanampy ny vavaka fanokanana ireo mambra vaovao ary ny klioba kosa mitsangana manaraka ny vavaka amim-pitandremana tsara.

Miteny amin’izay ny tale fa « _______________ (anaran’ilay mambra vaovao), ankehitriny ianao dia mambra tanteraka ao amin’ny klioban’ny Mpisavalalana _________________ »

1. Maneho ny tenany eo amin’ny tale ilay mambra vaovao mba handray ny fifandraisan-tanan’ny fisakaizana fa tafiditra ho mambra

2. Manaraka izany dia manolotra ny tanany havanana ho mariky ny fifandraisan-tanan’ny fisakaizana fa tafiditra ho mambra ny tale mpanampy, ny mpanolotsaina ary ny kapitenin’ilay tarika na andiany misy ilay mambra vaovao.

3. Manolotra karatra maha-mpikambana ao amin’ny Mpisavalalana ho azy ny mpitantsoratry ny klioba

4. Aroson’ny mpanolotsaina sy ny kapiteny hiditra ao amin’ilay tarika/andiany ilay mambra vaovao

5. Mihira ny hiran’ny Mpisavalalana ny klioba, vonoina ny jiro ary dia izay no mitarika ho amin’ny famaranana ny fotoana manokana nanaovana voady/fanokanana.

Fizotran’ny fotoana iray hafa

Raha tsy tian’ny klioba ny hampiasa labozia dia azo atao ny manao fandaharam-potoana mitovy fizotra amin’io fa mampiasa ny faneva sy ny saina ihany. Azon’ilay tanora hanao voady atao ny mametraka ny tanany roa ho eo ambonin’ny sainan’ny Mpisavalalana mandritra ny famerenany ny Voady sy ny Lalàn’ny Mpisavalalana. Amin’izay fotoana izay dia esorina teo amin’ny toerany ilay saina ka hazonin’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny sampana mahitsy tsara marin-drano eo akaikin’ny tale mpanampy

102

103

FANDAHARAM-POTOANA MANDRITRA NY TAONA

Mila mahafantatra mazava tsara ny tanjona hotratrarina mandritra ny taonan’ny Mpisavalalana ny talen’ny Mpisavalalana sy ny mpiandraikitra ao aminy. Ny tanjona fototra dia ny hanampiana ny ahitana ireo ilaina amin’ny fitomboana ho an’ny tanora zandriny. Ny fitarihana ireo Mpisavalalana amin’ny alalan’ny fianarana taranja mba hanatrarana ny fankasitrahana ho amin’ny fotoana hanaovana fanokanana (Investiture) dia midika ho fanatrarana ireo tanjon’ny sampana Mpisavalalana. Amin’ny alalan’ny fandaharam-potoana mandritra ny taona izay tsara rafitra ka ahitana ny lafiny rehetra ihany no ahafahana mahatratra ny tanjona.

Ny ankamaroan’ny klioban’ny Mpisavalalana dia manao ny fandaharana mandritra ny 10 volana ao anatin’ny taona.

Ny fampiasana drafitra izay aseho amin’ny pejy manaraka dia ahafahan’ny mpiandraikitra mametraka ao anatin’izany drafitra izany ireo fihetsehana ataony mandritra ny taona. Ny mpiandraikitra tsirairay dia tokony hahazo izany drafitra izany rehefa miara-mameno izy ireo. Atomboka amin’ny volana izay heverin’ny klioba hanombohana ny taona izay drafitra izany ary faranana amin’ny volana izay hifaranan’ny taona.

Tokony ho voamarika ny herinandro ao anatin’ny volana izay hanaovan’ny Mpisavalalana fihetsehana ary koa ireo andro na fotoana lehibe tsy ianarana tsara ho marihina. Raketo an-tsoratra ihany koa ireo fotoan-dehibe hitranga eo anivon’ny federasiona ary ny daty nofidian’ny klioba hanatrarana ny hanaovana fanokanana (investiture).

Ireo toe-javatra rehetra toy ny hoe ny ora fivoriana isan-kerinandro, ny fihaonan’ny mpiandraikitra, ny fanamiana hampiasana sy rahoviana, ireo rehetra ireo dia samy efa voadinika ary vonona ka fantatry ny besinimaro. Drafitra efa vita madio sy feno tsara koa dia tokony homena ny ray aman-dreny mandritra ny takariva fisoratana anarana – izany dia hampiseho fa mahalala ny lalana hizorany ny klioba ary hanome endrika tsara ny klioba eo imason’ny ray aman-dreny amin’io takariva voalohany io. Mazava ho azy anefa fa ny endrika tsara eo imason’ny ray aman-dreny dia haharitra raha toa ka manaraka tsara amim-pahatokiana sy am-pahamarinana ny drafitra nosoritana ny klioba.

104

DRAFITRA MANDRITRA NY TAONA

JANOARY FEBROARY MARSA

AVRILY MAY JONA

JOLAY AOGOSITRA SEPTAMBRA

OKTOBRA NOVAMBRA DESAMBRA

FANOMEZANA ISA

Ny talen’ny departemantan’ny tanora ao amin’ny Federasiona dia manendry planina hanomezana isa mandritra ny taona izay mifanaraka amin’ny fepetra takiana maro samihafa ary hampivoitra ireo fihetsehana fototra ao amin’ny Mpisavalalana ka hitarika ho amin’ny fandaharam-potoana mifandanja tsara. Ny fanomezana mari-pankasitrahana dia atao ho an’ny klioba tsirairay mandritra ny foaran’ny federasiona.

FIRAKETANA AN-TSORATRA IREO ASAN’NY KILASY

Toerana roa samihafa no hiraketana an-tsoratra ireo asan’ny kilasy tanteraka hatramin’ny farany:

1. Karatra firaketa an-tsoratry ny kilasin’ny Mpisavalalana izay ahitana lisitra ireo fepetra takiana, misy toerana banga ho an’ny sonian’ny manampahefana mpanamarina. Tsaratsara kokoa raha tehirizin’ny mpitantsoratra ao amin’ny fitehirizan-taratasin’ny klioba izany. Azo alahatra araka ny tarika na araka ny abidy ireo karatra ireo. Atolotra ny mpanolotsaina na ny mpitantsoratry ny tarika ireo karatra ireo rehefa tanteraka ny asan’ny kilasy. Amin’ny fotoana izay tsy hampiasana ny « pasipaoro » dia karatra roa no hampiasaina ho an’ny Mpisavalalana tsirairay – iray ho an’ny firaketana an-tsoratry ny klioba ary ny iray kosa ho an’ilay mambran’ny klioba.

105

2. Any amin’ny diviziona any amin’ny faritra sasany dia misy pejy roa ho an’ny kilasy tsirairay ny Pasipaoron’ny Mpisavalalana*. Na atao toy ireny mametaka hajia ireny na amin’ny alalan’ny lisitr’ireo fepetra takiana no atao amin’ny karatra, ireny dia manambara ny tantara mipetraka ho an’ny Klioban’ny Mpisavalalana mikasika ilay Mpisavalalana manokana.

* Bokikely misy ny mombamomba ilay Mpisavalalana

DRAFITRA FAMPIANARANA

Any amin’ny fiandohan’ny boky ho an’ny kilasy tsirairay dia misy drafitry ny fampianarana amin’ny tsipiriany voafaritra tsara. Raha toa ka voaaraka tsara ireo drafitra fampianarana ireo dia ho vita tanteraka ao anatin’ny folo volana ireo fepetra rehetra takiana, tafiditra ao anatin’izany ny lasy mivoaka any ivelany sy ny fotoana manokana in-droa isam-bolana.

FIVORIANA

Raha voatarika tsara ireo fivoriana ara-potoana dia ho azon’ny Mpisavalalana atao tsara ny hahatratra ny tanjona ao amin’ny fandaharan’asa. Ireo fivoriana ireo dia tarihina arakaraky ny zavatra ilain’ny klioba eo an-toerana.

Modely telo no atolotra ho soso-kevitra izay azon’ny fiangonana eo an-toerana isafidianana. Azon’ny fiangonana atao tsara ny miova avy amin’ny modely iray ho amin’ny modely hafa iray isan-taona, eny fa na dia ao anatin’ny taona iray ihany koa aza. Hahazoana fiovaovana izany ary mety hameno ny zavatra ilaina mihitsy ao amin’ny fandaharan’asa aza.

MODELY A

Ity fivoriana iray ity dia maharitra adin’ny telo tsy miato no hanaovana azy ka tafiditra ao anatin’izany ny lanonana fanokafana sy fotoana famaranana, filaharana, lalao, taranja ianarana ary asa tanana, izany rehetra izany dia atao ao anatin’ny fandaharana iray avokoa. Indro atolotra etoana ny ohatra fototra amin’ny rafitra. Mety hamboamboatra izany ianao ka tsy hanisy fetra mba hifandrindra amin’ny toe-java-misy eo aminao ary mety hanampy zavatra hafa ao amin’ny fandaharanao ihany koa.

Minitra Zavatra atao 15 Lanonana fanokafana (fananganan-tsaina, vavaka, fisafoana ataon’ny

mpitarika)10 Fianarana sy fanaovana filaharana/matso (klioba na tarika)15 Lahateny/fandinihana Soratra Masina30 Kilasim-pandrosoana (an-trano na fihetsehana ivelan’ny trano)30 Lalao na fanaovana foara30 Kilasim-pandrosoana (an-trano na fihetsehana ivelan’ny trano)45 Fahaiza-manao manokana na talenta/fialam-boly/asa tanana 5 Filazana sy tso-drano-----180

106

MODELY B

Ity fandaharana iray ity indray dia maharitra adin’ny telo saingy atao indroa miantaona.

Fizarana voalohany: Ora iray ho an’ny Mpisavalalana ny Sabata, mamariparitra ny amin’ny fifandraisana sy ny fisakaizana ary manao ny fihetsehana voafaritra ao amin’ny taranja.

Fizarana faharoa: Ora roa momba ny Mpisavalalana, ao anatin’izany ny fanaovana matso na filaharana, lalao, taranja, asa tanana, lanonana fanokafana sy famaranana ny fotoana.

Ohatra aseho ho an’ny fandaharana ihany no atao eto izay maneho ny rafitra fototra. Azonao solosoloina na ovaovàna tsy misy fepetra hatao mba hifanaraka amin’ny toe-java-misy eo aminao ary azonao ampiana karazany hafa ihany koa ny fandaharam-potoana.

Fizarana voalohany : 1 ora

Minitra Zavatra atao10 Fotoana fanokafana10 Lesona an’ohatra/fanazaran-tsaina30 Taranja ao amin’ny kilasim-pandrosoana7 Lesona manokana3 Filazana / tsodrano

------60

Fizarana faharoa : 2 ora

Minitra Zavatra atao10 Fotoana fanokafana15 Soratra Masina/vahiny nasaina15 « Camporee »/fanazarana ho amin’ny foara30 Taranja ao amin’ny kilasim-pandrosoana40 Fahaiza-manao manokana/fialam-boly/asa tanana10 Fotoana famaranana/tsodrano-----120

107

MODELY D

Ity fandaharana ity dia atao isan-kerinandro ka adin’ny iray sy sasany no hanaovana azy. Azo ovàna ho adin’ny iray ka hatramin’ny adin’ny roa anefa izany. Raha ity no ampiasaina dia tsaratsara kokoa raha atao in-telo isam-bolana ny fivoriana farafahakeliny.

Minitra Zavatra atao10 Lanonana fanokafana (fananganan-tsaina, Hiram-pirenena, vavaka, Voady,

Lalàna)10 Fandinihana ny Soratra Masina10 Fotoana manokana ho an’ny tarika30 Fihetsehana I (Fahaiza-manao manokana izay tiana)25 Fihetsehana II (ireo fepetra takiana ao amin’ny kilasim-pandrosoana dia mety

hampitombo ny fotoan’ny fihetsehana hatramin’ny 30 minitra kanefa izany tsy voatery atao)

5 Fotoana famaranana (filazana, vavaka, fampidinan-tsaina)------90

108

TARI-DALANA HO AMIN’NY FANAOVANA DRAFITRAIty tari-dalana ho amin’ny fanaovana drafitra ity dia natao hanehoana amin’ny

mpiandraikitra ao amin’ny Mpisavalalana ny fomba fampiasana ireo fitaovana eo am-pelatanana amin’ny fanaovana drafira amin’ny tsipiriany ho an’ny fandaharan’asan’ny klioba

ZAVATRA ATAO ASAN’NY KOMITY FITAOVANA AMPIASAINALanonana fanokafana Manapaka ny fomba fisehon’ny

Mpisavalalana amin’ny filaharana ; ny toerana sy ny andraikitry ny mpiandraikitra tsirairay mandritra ny filaharana/matso

Pathfinder Drill Manual (Boky mikasika ny filaharana ataon’ny Mpisavalalana)

Filaharana / matso Mifidy ny hitarika ny matso sy ny mpanampy azy

Pathfinder Drill Manual (Boky mikasika ny filaharana ataon’ny Mpisavalalana)

Fandinihana ny Soratra Masina

Mifidy ny ho mpiahy ny klioba na mandahatra ireo voafidy ho mpiandraikitra ny fotoam-pivavahana, mametraka tompon’andraikitra ho an’io sehatra io amin’ny mpiandraikitra (staff)

Ireo olona izay afaka mandray anjara amin’ny fampianarana Soratra Masina : mambran’ny mpiandraikitra, pasitoran’ny fiangonana, mpampianatra ao amin’ny sekoly, mpitarika ao amin’ny federasiona, pasitora mpamangy, misionera, Mpisavalalana zokiny (folo taona noho miakatra)

Fianarana taranja Mandinika tsara eo amin’ny fifidianana ireo mpampianatra ao amin’ny kilasy. Izy ireo no tompon’andraikitra amin’ny fitarihana ireo Mpisavalalana ho amin’ny fotoana fanokanana « investiture »

Misy boky ahazoana mahafantatra ny kilasy tsirairay avy ao amin’ny Mpisavalalana ao amin’ny Departemantan’ny Tanora misy anao.

Lalao / Fanomanana sy fizarana ho amin’ny foara

Mifidy iray amin’ny mpiandraikitra (staff) mba hisahana ireo fihetsehana rehetra ho amin’ny fialam-boly toy ny lalao, filasiana, fanaovana foara, fihanihana tendrombohitra, fitsangantsanganana, sns…

Jereo ao amin’ny fitehirizam-bokin’ny fiangonana raha misy azo ampiasaina ho amin’ny lalao. Manatona ireo mpanao fanjakana na ireo manam-pahefana eo an-toerana mba ho ara-dalàna raha hilasy na hihanika tendrombohitra na ny amin’ny toerana hitsangantsanganana

Asa tanana/Fahaiza-manao manokana/Fialam-boly

Fantaro daholo ireo asa tanana misy ao amin’ny fiangonanao. Manomana fanontaniana ho an’ny Mpisavalalana mikasika ny safidiny amin’ny asa tanana/fahaiza-manao manokana na fialam-boly. Mifidy iray amin’ireo mpiandraikitra ao aminareo mba hisahana ireo fihetsehana ireo. Mifidy mpanampy iray na maro arakaraka ny ilaina mikasika ny asa tanana

Ireo fepetra takiana rehetra mikasika ny Fahaiza-manao manokana dia hita ao amin’ny boky Honors Handbook izay azo raisina any amin’ny departemantan’ny tanora misy anareo. Ireo toerana fanaovana asa tanana sy zava-kanto ary trano fitehirizam-boky dia mety ahitana koa ireo boky na hevitra sy fitaovana ilaina ho amin’izany.

Fotoana famaranana Tahaka ny voalaza eny ambony ihany mikasika ny lanonana fanokafana.

109

TAKELAKA HO AN’NY DRAFITRA FIHAONAN’NY KLIOBA

Anaran’ny Klioba __________________________________________________________Datin’ny fivoriana __________________________________________________________Ora _______________ Fotoana ___________________________________________Mpitarika _________________________________________________________________Famariparitana ny fotoana ________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________

Fanamarihana manokana _______________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________________

TAKELAKA HO AN’NY FANDAHARANA ISAN-TELOVOLANATaona _______________

Anaran’ny Klioba __________________________________________________________Lohahevitry ny telovolana ____________________________________________________Tetik’asa lehibe ____________________________________________________________Fivoriana ara-dalàna ____________________________ Mpitarika ___________________Fotoana manokana ______________________________ Mpitarika ___________________

Volana ______________________________________

Fahaiza-manokana/talenta nampianarinaFihetsehana amin’ny ankapobenyFepetra takiana ao amin’ny Kilasin’ny MpisavalalanaFihetsehana mikasika ny Zarao ny FinoanaoLalao na fialam-boly

110

FOTOANA FANAOVANA FANOKANANA “INVESTITURE”A. Fanomanana

Mandrakariva ny mpitarika ny Mpisavalalana dia mampandre ny talen’ny departemantan’ny tanora ao amin’ny Federasiona fa vonona ireo tanora ho amin’ny fanokanana, ary dia faritana ny daty ho amin’ny fivoriana. Ny fotoana fanokanana « investiture » dia hatao eo ambany fitarihan’ny talen’ny departemantan’ny tanora ao amin’ny Federasiona na olona izay voatendriny ka mahasahana izany, ary tsaratsara kokoa raha Filoha Mpitarika.

Alohan’ny fotoana fanokanana dia tsy maintsy efa tanteraka avokoa ireo fepetra takiana ary ilay karatra misy ny firaketan’ny Kilasin’ny Mpisavalalana mikasika ireo dingana vita, raha ampiharina eo an-toerana izany, dia tokony haseho ilay tompon’andraikitry ny fanokanana raha angatahiny izany. Mba hihazonana ny tombam-bidy ambony eo amin’ny fanatanterahana ny fepetra takiana dia ilaina ny manao fanadinana tselatra kely ho an’ny tanora ho amin’ny fanokanana, indrindra raha toa ka Filoha Mpitarika no alainy.

B. Ireo mpiandraikitra mety handray anjara amin’ny Fanokanana sy ny andraikitra tanan’izy ireo

Mpiahy ny Fanokanana

Io olona io dia notendren’ny departemantan’ny tanora ao amin’ny Federasiona, mandrakariva dia ny mpandrindra ny faritra (coordinateur de zone) izay misolo tena ny federasiona eo an-toerana. Raha toa ka tsy misy io mpandrindra io dia Filoha Mpitarika na olona tompon’andraikitra hafa toy ny pasitora na mpampianatra no tendrena.

1. Manohana ny fiangonana na ny sekoly eo amin’ny fitarihana ny mpianatra ho amin’ny fandaharana mahaliana ho an’ny fihetsehan’ny Mpisavalalana izay mahasahana ny fanatanterahana ihany koa ny kilasim-pandrosoan’ny Mpisavalalana mifanaraka amin’ny fari-pahaizan’ilay mpianatra.

2. Manara-maso mandra-pahavitany hatramin’ny farany ny fandrosoan’ireo izay manao ny kilasim-pandrosoan’ny Mpisavalalana ao amin’ilay fiangonana voatondro na sekoly.

3. Manao fanentanana mikasika ny fandaharam-potoan’ny fanokanana amin’ireo ray aman-drenin’ny tanora voakasika ao amin’izany fanokanana izany sy amin’ireo mambran’ny fiangonana eo an-toerana tsy ankanavaka.

4. Mifandamina amin’ny pasitoran’ny fiangonana na ny talen’ny sekoly ny amin’ny toerana, daty ary ny oran’ny fandaharam-potoan’ny fanokanana.

Talen’ny Klioban’ny Mpisavalalana

1. Manao fanentanana momban’ny kilasim-pandrosoan’ny Mpisavalalana: Sakaiza, Namana, Mpanazava, Mpamaky Lay, Mpandeha Lavitra, Mpitarika ; ary ireo fikarohana lalindalina kokoa isaky ny kilasy.

2. Mampandray anjara ireo mpiandraikitry (staff) ny Mpisavalalana sy ny mambran’ny klioba ho amin’ny fandaharan’ny fanokanana

111

3. Manao fanentanana ny fandaharam-potoan’ny fanokanana amin’ireo ray aman-drenin’ny Mpisavalalana ary ireo mambran’ny fiangonana mpiahy sy mpanohana.

4. Mahazo ny fiaraha-miasa avy amin’ireo mpampianatra ao amin’ny sekoly ny amin’ny fanatanterahana ireo fepetra takiana manokana ao amin’ny kilasim-pandrosoan’ny Mpisavalalana ; mitahiry an-tsoratra ao amin’ny karatra firaketan’ny kilasin’ny Mpisavalalana.

5. Mandrindra ny fandaharam-potoan’ny Fanokanana ary manendry ny daty

6. Manafatra sy mandray ireo fitaovana tsy maintsy ilaina rehetra amin’ny Fanokanana ho an’ireo Mpisavalalana. Ampiasao ilay takelaka fenoina fangatahana ho amin’ny Fanokanana.

Ny Mpampianatry ny sekoly

Any amin’ny fivondronana sasantsasany dia tafiditra ao amin’ny fandaharam-potoana amin’ny taranja any am-pianarana ny kilasim-pandrosoan’ny Mpisavalalana.

Ny mpampianatra no manomana ny mpianatra mba handray ireo marika (insigne) eo amin’ny Fanokanana.

1. Miara-miasa amin’ny mpiahy ny Fanokanana sy ny klioban’ny Mpisavalalana raha azo atao eo amin’ny fandaminana ny fandaharam-potoan’ny Fanokanana

2. Raha mety araka ny toe-java-misy dia manampy eo amin’ny fanomanana ireo tanora ho tokanana : mpianatra, mpampianatry ny sekoly, mambran’ny Mpisavalalana amin’ny mba hahazoana ireo karatra firaketan’ny kilasin’ny Mpisavalalana, araka ireto fandaharana amin’ny kilasy atolotra ireto:

Kilasin’ny MpisantatraTantely Mazoto Miasa = Dingana voalohany (Grade 1)Tanamasoandro = Dingana faharoaMpanorina = Dingana fahateloTanana Mpanampy = Dingana fahaefatra

Kilasin’ny MpisavalalanaSakaiza = Dingana fahadimyNamana = Dingana fahaeninaMpanazava = Dingana fahafitoMpamaky Lay = Dingana fahavaloMpandeha Lavitra = Dingana fahasivyMpitarika = Dingana fahafoloFiloha Mpitarika = 16 taona sy ny mihoatra

3. Manafatra ireo fitaovana ho amin’ny Fanokanana miaraka amin’ny talen’ny klioban’ny Mpisavalalana any amin’ny Federasiona eo an-toerana amin’ny fampiasana ilay takelaka fangatahana ho amin’ny Fanokanana. Raha toa ka tsy misy ny klioba dia hafarana mivantana avy any amin’ny federasiona eo an-toerana ho an’ny sekoly ny fitaovana rehetra.

4. Mandraisa anjara miaraka amin’ny talen’ny klioban’ny Mpisavalalana sy ireo mpitarika, ny amin’ny fandrafetana sy fandrindrana ny fandaharana.

112

Ireo mpanolotsain’ny klioban’ny Mpisavalalana

1. Manampy ny talen’ny Mpisavalalana sy ny mpiahy ny Fanokanana eo amin’ny fandrafetana ny fandaharam-potoan’ny Fanokanana

2. Tariho ireo Mpisavalalana, indrindra fa ireo tsy mianatra ao amin’ny sekolim-piangonana, ho amin’ny fandaharan’asa mahaliana ho an’ny fihetsehan’ny tanora zandriny ary eo amin’ny fanatanterahana ireo fepetra takiana ao amin’ny Mpisavalalana.

Mpiandraikitra (personnel) avy amin’ny Federasiona eo an-toerana

Ny talen’ny departemantan’ny tanora ao amin’ny federasiona dia manasa ny mpiandraikitra toy ny talen’ny fanabeazana, pasitora, talen’ny sekoly, pasitora ao amin’ny federasiona, mba hanatrika ny fandaharam-potoan’ny fanokanana.

1. Haneho na hisolo tena ny federasiona eo an-toerana

2. Hanao fanentanana mikasika ny fitoriana ny filazantsara ataon’ny tanora sy ny fandaharan’asan’ny tanora ao amin’ny federasiona toy ny lasy, « camporees », fihaonam-be, fitoriana ny filazantsara.

D. Fandaharan’asa

Angamba tsy hisy zavatra izay mifandraika amin’ny kilasim-pandrosoan’ny Mpisavalalana izay hanome fotoana lehibe hanehoana amin’ny mambran’ny fiangonana ny ataon’ny kilasy ankoatry ny fotoan’ny Fanokanana. Noho izany dia tena zava-dehibe tokoa ny hitarihana ny fotoana amin’ny fomba faran’izay mendrika indrindra ary atao amin’ny fomba hampitsiry ao am-pon’ny tsirairay ny hanao mihoatra lavitra mba hampaherezana sy ho famonjena ny tanorantsika. Ny tanjon’ny fandaharam-potoan’ny Fanokanana dia hanome fotoana iray mba: ho fankasitrahana ary fanekena ireo izay nahavita tanteraka ny kilasim-pandrosoan’ny

Mpisavalalana hampientanana ireo izay tsy mbola nandray anjara tamin’ny asa mba hahatonga azy ireo

handray anjara hampahafantarana amin’ny fiangonana sy ny mpiara-monina ny mombamomban’ny

Klioban’ny Mpisavalalana hampahafantarana amin’ny tanora ireo drafitra sy fandaharana amin’ny ho avy.

Ankoatry ny fanehoana ny marika (insigne), ny fihetsehana hita ao amin’ny fandaharam-potoana dia avela malalaka ho an’ny fahaiza-manitatra sy fahaiza-mamorona ananan’ireo mpiandrikitra. Tena misy asany tsara ny fihetsehana voarindra sy ahitana aingam-panahy. Ohatra : fihetsehana ahitana seho an-tsehatra maneho ny asa ho an’ny fiaraha-monina sy ny fijoroana vavolombelona, famerenana ireo atao tsianjery ary fampisehoana ireo talenta sy fahaizana mifandraika amin’ny fepetra takiana ao amin’ny kilasim-pandrosoana. Satria ny Voady sy ny Lalàna no tena ivon’ny fanofanana avoitra ao amin’ny klioba dia ataovy izay hanindriana sy hanamafisana azy ireo amin’ny fotoana rehetra izay mety.

113

Ny zavatra mety ho hita ao amin’ny fandaharam-potoana dia tokony hanome fahafaham-po mazava eo amin’ny fahazoana sy ny fahatanterahan’ilay tanora ny asany; fihaikana iray ho amin’ny fahatokiana amin’Andriamanitra sy ny fiangonana ary ny klioba (mahatoky amin’ny asan’ny gropy ary amin’ny firaisan’ny Mpisavalalana maneran-tany) ; anjara andraikitra iray ho amin’ny fahatokiana ; teny sy fandraisan-tanana fiarahabana avy amin’ny Filoha Mpitarika izay tonga eo. Ataovy izay hahatonga ho hafakely, hampihetsi-po, ho feno ny fanahy ary hahasintona.

NAOTY: Ireto manaraka ireto dia soso-kevitra amin’ny endriky ny fandaharam-potoana ihany

mba hanampiana eo amin’ny fanaovana drafitra ho an’ny fandaharam-potoana fohy (20-30 minitra) izay ahafahan’ny rehetra hanao voady mandray anjara avokoa. (Ny mihira, ohatra, dia efa ahafahan’ny rehetra mandray anjara)

Endrika fandaharam-potoana atolotra nº1

Fanombohana (Prelude)Hira ho amin’ny fotoanaHira manokanaSoratra MasinaFiarahabanaVavakaVoadin’ny Mpisavalalana Ataon’ny hanao voady rehetra

(Asio mpianatra iray manome ny fanazavany)Lalàn’ny Mpisavalalana Ataon’ny hanao voady rehetra

(Asio mpianatra valo manome ny fanazavan’izy ireo ka andininy iray isaky ny mpianatra no ataony)

Mozika/Hira manokana Ireo Mambran’ny kliobaFanaovana tsianjery Izay kilasy hanao na ny kilasy rehetraFanehoana am-pahibemaso ny fampiharana: Seho an-tsehatra, filaharana, tantara kely, sns

1. Tantara ankafizina ao amin’ny Baiboly2. Fanaovana vona famatorana3. Ampahany amin’ny zava-boahary4. Vonjy taitra5. Tantaran’ny biby ankafizinao (izay anananao ao an-trano)6. Fitsangantsanganana dia an-tongotra sy lasy7. Mari-boninahitra na fahaiza-manao manokana azo8. Fanehoana ny sainam-pirenena9. Olona manan-daza eo amin’ny firenena10. Fitaizam-batana

Fanomezana taratasy fanamarinana Talen’ny Mpisavalalana na pasitoraho an’ny ankizy

Fihaikana ho an’ireo Tanora Zandriny Talen’ny departemantan’ny Tanora ao amin’ny Federasiona, pasitora na Filoha Mpitarika maha-sehaka izany

Fanomezana sy fanehoana ny marika Talen’ny departemantan’ny Tanora ao amin’ny(Insigne) Federasiona na ny mpiandraikitra ny faritra

(Coordinateur de zone)

114

Vavaka fanokanana sy fanoloran-tena PasitoraFilazana samihafa Lasy fialan-tsasatra lehibe, lasy fihaonanaTsodrano Mpisavalalana zokiny

Endrika fandaharam-potoana atolotra nº2

Soratra MasinaHiraHira na mozika manokanaVavakaToriteny fohySeho sy resaka ataon’ny Mpisavalalana

Fanaovana tsianjeryVoady sy ny Lalàn’ny MpisavalalanaFanehoana am-pahibemaso ny fampiharana

Fanomezana taratasy fanamarinana ho an’ireo voakasiky ny fotoanaFilazana ny andraikitra sy fanehoana izanyVavaka fanokananaSarimihetsika mikasika ny lasy (fanentanana ho amin’ny lasy fialan-tsasatra lehibe)HiraVavaka

Endrika fandaharam-potoana atolotra nº3

Mozika fanombohana na hira ho amin’ny fotoam-pivavahanaFilaharana ataon’ny Mpisavalalana miaraka amin’ny saina na tsy miaraka amin’ny saina mankao am-piangonana na mihira any an-dalantsara na mamindra amin’ny feon’ny hiran’ny Mpisavalalana na « Mandrosoa izao ry miaramila soa », snsApetraka amin’ny toerana araka ny tokony ho izy ny sainaFanekena ho amin’ny fankatoavana raha ilaina izany (ataon’ny rehetra)Lalàn’ny Mpisavalalana, Voadin’ny Mpisavalalana (ataon’ny Mpisavalalana rehetra)Fiarahabana sy fanoloranaHiran’ny Mpisavalalana (ataon’ny rehetra)Vavaka ataon’ny MpisavalalanaSoratra Masina (fanaovana tsianjery ireo adinina ao amin’ny kilaasin’ny Mpisavalalana)Hira manokanaFampiharana aseho am-pahibemaso karazana zavatra maro (vona famatotra, fijoroana vavo-lombelona, seho an-tsehatra)Tenin’ny vahiny nasaina (fanamarihana fohy)Fanomezana taratasy fanamarinana ho an’ireo voakasiky ny fotoanaFanambarana ny andraikitra sy fanehoana ny marika (insigne)Vavaka fanokananaHira hivoahana ny efitra (manao famindrana mivoaka ny trano)Sary sy famenoana tatitra ho an’ny federasiona

SOSO-KEVITRA ATOLOTRA MIKASIKA NY ANDRAIKITRA

« Tonga eo amin’ny dingana ao anatin’ny fandaharan’asa ao amin’ny fianarana sy ny fitomboana ataon’ny tena izao ianao ankehitriny izay mahatonga anao ho vonona hanaiky ny andraikitra vaovao ao amin’ny fiangonana amin’ny asany. Ny tsirairay aminareo dia nahatanteraka ny iray na maro tamin’ireo fepetra notakiana sy ny asa voasoritsoritra ao amin’ny kilasim-pandrosoan’ny Mpisavalalana.

115

Ity marika (insigne) izay hatolotra anareo ary ho azonareo tsy ho ela ity dia maneho ny idealy (fenitra) faratampony ao amin’ny rafitry ny fikambanana tanora ao amin’ny fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito. Ity marika ity dia hazoninareo amim-pahatokiana ka raha eny am-pitondrana azy ianreo dia ho hita eo amin’ny fiainanareo andavanandro ny idealy asehon’ity marika ity, ireo idealy ireo dia voarakitra ao amin’ny Voady sy Lalàn’ny Mpisavalalana. Noho izany dia ankiniko aminareo ny andraikitra fa noho ny fahasoavan’Andriamanitra dia hanao izay azonareo atao ianareo mba hitia ireo fenitra ambony ireo ary mba hiainanareo izany eo amin’ny teny sy ny asa ataonareo. Ary amin’ny fanaovanareo izany no hanaporofoanareo ny maha mpanompo mahatoky amin’Andriamanitra anareo sy ho naman’ny olona rehetra.

« Raha sanatria noho ny antony samihafa ka verinareo ireo idealy ireo ary tsy mitandrina ny hitia sy hampihatra izany eo amin’ny fiainanareo andavanandro ianareo dia tsy maintsy averinareo any amin’ny federasiona izay nanome azy ilay marika (insigne). Andriamanitra anie hitahiry anareo ho mahatoky Aminy sy amin’ireo idealy manan-danjan’ny Klioban’ny Mpisavalalana».

116

FIHETSEHANAFIVELARANA ARA-TSOSIALY

FOTO-PISAINANAN’NY FANABEAZANA ARA-TSOSIALY

Manana ny antony rehetra ny tanora kristiana mba ho olona sambatra indrindra eto ambonin’ny tany. Jesosy dia nilaza fa “Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be” (Jaona 10.10) Io karazana fiainana be dia be io dia ho an’ny olon’Andriamanitra amin’izao ankehitriny izao; anio ary isan’andro.

Raha mijery an’i Kristy ilay ohatra ho antsika isika dia hahita fa tsy mba niolonolona ka nitoka-monina na nailikilikin’ny olona Izy. Ny voarakitra fohy ao amin’ny Soratra Masina mikasika ny fanombohan’ny fiainany dia manamafy fa tsy nisy nokianina ny fahatanorany ary nanana toetra nahasarika Izy; tian’ireo namany ny miaraka Aminy mandrakariva. Araka izany dia tena olona tia namana, mahafinaritra ary nanana ny maha izy azy Izy satria nitombo tsara tamim-pirindrana ara-batana, ara-tsaina, ara-panahy ary ara-piaraha-monina Izy.

Ny hany tokana tena fahasambarana izay nosoritana sy napetrak’i Kristy teo amin’ny tantaran’ny tany dia ny fiainany. Nivelona mba hitahy ny hafa izy; ary ao anatin’izany no ipetrahan’ny tsiambaratelon’ny fiainana tonga lafatra amin’ny fahafenoany. Raha hazonintsika ao an-tsaina io fitsipika maharitra mandrakizay io dia ho hita fa afaka hanan-danja sy hisy vidiny lehibe tokoa noho ny fotoana hafa rehetra ireo fotoana izay nolaniantsika tamin’ny fialamboly sy asa ho an’ny mpiara-monina.

Ny fialamboly izay mitarika antsika hanilika, eny fa na dia amin’ny fotoana fohy ihany aza, ny faharesen-dahatra mikasika ny fivavahana dia tena mampidi-doza tokoa. Na dia mitarika antsika hiala amin’ny fahasarotana sy ny faharatsiam-piainana moderina aza ny fialam-boly dia sanatria tsy tokony hamporisika antsika velively hiala amin’ny andraikitra maha kristiana antsika; ny fivavahana dia tsy tokony hoe zavatra iainana aorian’ny fiainana andavanandro. Ny hery miasa manginan’ny kristiana eny amin’ny fitsangantsanganana sy ny fanendasana mofo ho sakafo maraina, na ny fananana fifaliana ao an’efitranon’ny mpianakavy dia mety hisy akony lehibe eo amin’ny sakaiza noho ny teny lazaina mandritra ny fivorian’ny tanora na ny toriteny fananarana omena ny Mpisavalalana. Ny fivavahana dia tokony ho tafakambana tsara ary hita soritra eo amin’ny fihetsehana rehetra atao, ary io fivavahana io no hitarika ho amin’ny fifidianana ny fihetsehana ara-pialam-boly rehetra atao.

Tsy sarotra ny hahita ny fahasamihafana eo amin’ny fifaliana kristiana sy ny filalaovana hafa izay tsy mitady afa-tsy ny fahafinaretana ihany ary mirona ho any amin’ny fanaovana ny tsy eran’ny aina, mandreraka sy manalefaka ny herin’ny vatana sy ny saina ary ny fanahy. Satana dia tsy mitsahatra ny miezaka ny hampitsingilahila ny tanora amin’ny famoronana zavatra mahasarika vaovao hatrany ary filalaovana mampitolagaga izay hanimba ny maha-fitaovana mahomby azy ireo sy ny hisarahan’izy ireo amin’Andriamanitra.

FOMBA FIASA MATOTRA

Tafiditra ao amin’ny drafitr’Andriamanitra momba ny fiainana ny fialam-boly. Andriamanitra mihitsy no namorona ny fahafinaretana (Apok.4:11) ary tiany raha hahita ny tena fahafinaretana marina ny zanany (Salamo 16:11). Ity fehezanteny azo tamin’ny aingam-panahy ity, izay toa midika ho didy ity dia milaza izany “Tombotsoa ary adidy ho an’ny kristiana ny mitady ny fomba hanavaozany indray ny fanahiny sy hanatanjaka ny vatany

117

amin’ny fanaovana fialam-boly madio, mba hahatonga azy ireo hampiasa ny herim-batany sy ny herin-tsainy ho voninahitr’Andriamanitra” Messages to Young People, p.364

Ny fomba hendry handaniana ny fotoana fialam-boly dia tsy maintsy atao amin’ny alalan’ny fomba fijery kristiana matotra izay mahatsapa fa ny fotoana tsirairay dia mitondra ho any amin’ny akony mandrakizay. Ny mahatonga ny olona iray ho “tsy misy fotony” na tompon-daka dia miankina betsaka amin’ny tombam-bidy voarainy nandritra ireo fotoam-bolamena teo amin’ny fiainany, fotoana izay nokajiana tamim-pitandremana fatratra.

LALAOMitontona ho amin’ny karazany maro ny lalao. Ny tena ratsy sy mampalahelo

indrindra dia ny lalao karatra na ireo lalao mifandraika amin’ny vintana. Maro amin’ireo lalao ireo no mamporisika filokana, fandrebirebena, fisolokiana ary tokony halavirin’ny kristiana indrindra. Ny sasany kosa anefa izay hita fa mampivelatra ny fahaizana amin’ny lafiny samihafa toy ny fahalalana Baiboly, famoronana voambolana, fahafantarana ny zavaboahary ary ny fianarana lafin-javatra hafa dia voaporofo fa samy mahaliana sy fanararaotra avokoa.

FANATANJAHANTENANy tena tombotsoa lehibe indrindra amin’ny fanaovana fanatanjahantena dia ny

fandraisana anjara amin’io fotoana io. Mety ho mora hita ihany fa ny lalao misy fifaninana dia zara raha manome tombony ho an’ny mpijery. Voahetsika matetika ny fihetseham-po izay tsy misy ivoahany afa-tsy ny fiantsoantsoana ny anarana na ny hikiaka. Ny famehezana ny fantanjahantena izay hitadiavam-bola dia tantanan’ireo mpikarakara liana amin’ny vola fotsiny ka mba hanamafisana ny fahalianan’izy ireo amin’ny fandresena sy fahazoana tombony fotsiny dia.manana fironana hanararaotra ny fahaizan’ireo atleta izy ary hanindraindra ireo “mpilalao kalaza”.

Tsy tokony ho sarotra amin’ny kristiana ny mahatsikaritra fa raha eny ambony kianja filalaovana izay misy fifandonana ara-batana dia ho kely ihany ny ahitana ny fisehon’ny fisainan’i Kristy. Amin’ny lalao fanatanjahantena sasany izay be mpanao dia ny fiarahan’ny tanjaka mahery vaika sy ny hafetsifetsena no hahazoana ny fandresena, ao anatin’izany ny firehetan’ny toe-po mandritra ny lalao. Na dia nosoratana efa taona maro lasa ela aza ny torohevitr’Andriamanitra dia mbola tena ilaina tokoa amin’izao androntsika izao:

“Ny sasany amin’ireo lalao maro mpanao sy mpankafy indrindra toy ny lalao baolina kitra sy ny totohondry dia manjary sekoly fianarana herisetra. Mampivelatra ireo toetoetra mitovy tamin’ny lalao fanaon’ny Roma fahiny izy ireo. Ny fitiavana ny hanjakazaka, ny fireharehana amin’ny herisetra fotsiny, ny tsy firaharahiana ny fiainana, ireo rehetra ireo dia mampihatra hery manimba sy mampivarahontsana eo amin’ny tanora.

“Ny lalao atletisma sasany, na dia tsy mahery setra loatra aza, dia zara raha mitarika ho amin’ny tanjona tsara noho ny fampiasana mihoatra ny eran’ny aina atao ao anatin’izany. Manaitra ny fitiavana fahafinaretana sy ny fahataitairana izay mitarika ho amin’ny fankahalana asa ilaina, ka mitsoaka ny fahafahana hanao adidy sy handray andraikitra.” Adventist Home, pp.500,501

Raha toa ka tokony hialana ireo lalao ara-panatanjahatena hitadiavam-bola, fifanandrinan’ny samy sekoly, na fironana ho amin’ny sehatra fifaninanana izay hita eo amin’ny fikambanana mpanao fanatanjahantena maro karazana izay fahita, dia tsy tokony ho raisina kosa ny toeran’ny mpanohitra ny fandraisana anjara amin’ny lalao ara-panatanjahantena izay atao amin’ny fomba fialam-boly.

118

Taorian’ny nahitan’i Ramatoa Ellen White ireo zafikeliny nilalao baolina kitra amerikana (baseball) teo amin’ny tokotanin’ny sekoly tao St Helena Sanitarium, dia nanao izao fanambarana izao izy “Tsy melohiko ny fampiasam-batana tsotra amin’ny filalaovana baolina kanefa na dia eo amin’izany fahatsorany izany aza dia mety hisy ny fanaovana mihoatra” Adventist Home, p.499.

Hita mazava tsara ary izany fa ny tsy fisian’ny fifehezan-tena izay mety hiseho amin’ny endrika toa tsy mampaninona akory, eny toa ilaina aza dia voaporofo fa mitarika ho amin’ny fahasimbana. Matetika dia somary misavoritaka ny tanora amin’ireo fanambarana ao amin’ny Fanahin’ny Faminaniana izay toa manameloka ny fitaingenana bisikileta na milalao tenisy. Avy hatrany dia azon’ny fankam-panahy izy ireo hanameloka ny soratra avy amin’ny Tsindrimandry ho toy ny tery loatra na efa lany andro ary tsy ilaina amin’izao androntsika izao. Kanefa ny antony nanoratana ireny fanambarana ireny dia tena faran’izay manan-danja tokoa ho antsika mba hahazoantsika ny tena heviny sy ho fampiharana ireo foto-kevitra izay tena misy heviny tokoa amin’izao fotoana

Ireo fanamelohana roa ireo dia nosoratana ho amin’ny toe-javatra manokana. Raha ny resaka fitaingenana bisikileta, vola be no lany amin’ny fanaovana hazakazaka am-bisikileta ary arahina tanjona lazaina ampahibemaso mihitsy mba hisintonana ireo mponina an-tanan-dehibe handray anjara amin’izany. Amin’ny fijerena ny fotoana lany, ny vola atobaka ao, ary ny toe-tsaina amporisihina ao dia hita fa amin’ny kapobeny dia mitarika ho amin’ny fanaovana mihoatra tsy eran’ny aina izany rehetra izany. Toe-javatra mitovitovy amin’izany no hita mifandraika amin’ny lalao fifaninanana tenisy, ny fotoana lany miaraka amin’ny olon-drehetra amin’ny fanaovana fifaninanana sy ny fampivelarana toe-tsaina tia mifaninana izay mila atsahatra.

Mazava ho azy fa ny “filalaovana tsotra” ny fitaingenana bisikileta sy ny filalaovana tenisy miaraka amin’ny namana dia tsy melohina akory. Tokony haverimberina matetika fa na izany aza dia amin’ny sehatra hafa eo amin’ny fialam-boly dia tena ilaina tokoa ny manana toe-tsaina mahay manavaka sy mandanjalanja tsara eo amin’ny fifidianana sy fanaovana lalao ara-panatanjahan-tena.

FOMBA TSARA

Hatramin’ny fahazazany ny olon-drehetra dia nanana ny faniriany lalina teo amin’ny fanaovana zavatra na fanatanterahana ireo fihetsehana samihafa ara-kolontsaina. Nataon’Ilay Mpahary tao amin’ny olombelona izany faniriana lalina izany. Ankehitriny, ny fisian’ny zavatra efa mandeha ho azy (automate) sy ny taon-jaton’ny bokotra potserina fotsiny dia nampihena ary nanarona tanteraka io hafanam-po io ; na izany aza anefa, ny filàna ny fanehoana izay tiana atao amin’ny alalan’ny saina tia mamorona dia nijanona tsy very ihany. Adidin’ny olona amin’ny tenany ihany ny mampivelatra fialam-boly amin’ny toe-tsaina tia mamoron-javatra na mikarokaroka izay tsy hanome fahafinaretana ho azy ankehitriny fotsiny fa hanome loharanom-pifaliana ho azy mandritra ny fiainany manontolo. Fanaovan-javatra mikarokaroka amin’ny fenitra ambony izay hahazoany tombony amin’ny fahafinaretana maharitra dia mety hampifaly azy toy ny eo amin’ny sehatry ny mozika, asa tanana, adi-hevitra ao anatin’ny tarika, mamaky boky ary manoratra.

Ireo fivoahana an-kalamanjana araka an’Andriamanitra dia manome baiko ny tanora mba hanao fitsangantsanganana fizahana sy fikarohana. “Ny fialam-boly an-kalamanjana, ny fandinihana mahavariana ny asan’Andriamanitra ao anatin’ny natiora dia samy ahazoana tombotsoa faratampony avokoa” – Messages to Young People, p.381.

119

Hisy hatrany ny fientanam-po eo amin’ny fahitana ny lalana ravahan’ny hazo amin’ny andaniny roa, ny tany hay toa voaloko, ny harambato mitsanga eny ho eny, na ny hatsaran’ny fahanginan’ny dobon-drano toa miafina. Ny hanitry ny ala, ny pitipitik’afo mahafinaritry ny afon-dasy miredareda ary ny fisakaizana hita eo anivon’ireo mpilasy izay mihira eo ambany eloben’ny lanitra voaravaka dia hanao sikotra an-tsaina sary izay tsy hohadino mandrakizay. Ny fahatsarana sy ny fahalehibeazana dia ao avokoa! Fientanam-po manao ahoana ho an’ny tanora kristiana re izany e – izany rehetra izany sy ny lanitra koa!

ARY ANKEHITRINY – HO AN’NY TSARA INDRINDRA!

Tsy misy adihevitra fa ny fomba tsara indrindra handaniana ny fialam-boly tena izy, na an-trano izany na an-kalamanjana, dia ny manaraka ny ohatra napetrak’i Jesosy izay « nandeha nanao soa ». « Ny hany fialamboly tokana izay hanampy ny tanora ary ho fitahiana lehibe ho an’ny ankizy sy ny tanora dia tsy misy afa-tsy ny fialam-boly izay ahatonga azy ireo ho fanampiana ho an’ny hafa koa ». Education, p.212

Ireo ora laniantsika miaraka amin’ny tanora dia matetika ny faran’ny kely vidy indrindra na izy ireo any an-tsekoly na any ivelan’ny sekoly. Antontan’isa somary mavesatra sady mampalahelo no maneho izany. Kanefa ireo ora lanintsika amin’ny olona hafa dia hita fa betsaka tsy voakajy mihitsy. Mahatratra ny fiainana tsy hita maso amin’ny alalan’ny faribolana lehibe mivelatr’ireo hery miasa mangina izay mahakasika ny fetran’ny mandrakizay izany.

Porofoin’ny tanora eny rehetra eny fa ny fotoana mamy sy mahafinaritra indrindra azy ireo dia ny fotoana izay lanin’izy ireo tamin’ny fihetsehana famonjem-panahy toy ny asa ataon’ny tena manokana na tamin’ireo Feon’ny Tanora mitory ny Filazantsara, Feon’ny Tanora Zandriny, tetik’asa fanasoavana ny mpiara-monina, na ireo karazana asa fitoriana hafa natao ho an’ny mpiray vodirindrina sy mpiara-monina.

Tsy tokony hiandry ireo tetik’asa nalamina ny tanora vao hiroso sy handray anjara ao amin’ny fiangonana, ao amin’ny fikambanana tanora advantista na ao amin’ny klioban’ny Mpisavalalana. Misy mandrakariva mandritra ny fito andro ao anatin’ny herinandro ny fotoana ahafahan’izy ireo « Mizara ny Finoany » izay hanafana ny fon’izy ireo ary hamelombelona ny fanahiny. Ny fiainana izay miaina ho fitahiana ny hafa no mahatratra ny faratampony.

120

FIALAM-BOLYTafiditra ao anatin’ny planin’Andriamanitra mikasika ny fiainana ny fialam-boly.

Andriamanitra mihitsy no namorona izany ary maniry ny zanany hahita fahafinaretana marina avy amin’izany Izy.

Miovaova arakaraky ny olona tsirairay ny fialam-boly. Miankina amin’ny manodidina azy, ny herim-batany, ny asa ataony ary ny fidiram-bolany izany. Tokony atao vita lamina tsara ny fandaharana mba hisian’ny fiovaovana sy karazany ao anatin’izany.

LALAOTia mihetsiketsika ny tanora! Samy faran’izay ahasarika azy avokoa na lalao an-trano

na an-kalamanjana. Raha toa ka tena voahara-maso tsara sy voarindra tsara ireo lalao dia afaka ho tonga fanampiana lehibe tokoa ho an’ny fivelarana eo amin’ny fanaovana fanatanjahan-tena, fiarahana miasa ao anatin’ny tarika, firindrana, fahatanjahana ara-batana ary fivelaran’ny maha-izy ny tanora. Ireo trano fitehirizam-boky sy ny trano fivarotam-boky ary ireo sekoly dia manana karazana boky maro samihafa azo akàna lalao tsara hahafinaritra.

FIALAM-BOLY SY ASA TANANAAmin’izao andro feno hazakazaka tsy mitsahatra izao dia mila zavatra mahaliana na

fihetsehana izay ahafahany manala havizanana sy miala amin’ny rotoroton’ny fiainana andavanandro ny tsirairay. Maro ny olona mahatsapa sy mahita fa ny fialam-boly sy asa tanana dia fomba iray ahafahana manala izay manenjana ny saina sy ny hozatra rehetra. Fandaharana tsara rindra sy voalanjalanja dia hahatonga ny fiainana ho misy heviny lehibe kokoa.

Ny taonan’ny klioban’ny Mpisavalalana dia fotoana tsara indrindra hitarihana ny tanora hifandray amin’ireo karazana fialam-boly sy asa tanana samihafa. Tombotsoa sy andraikitra ho an’ireo mpitarika ny mampiditra ireo tanora ireo amin’ireo fihetsehana ahafahany mianatra tsara sy entiny mandritra ny fiainany iray manontolo. Mety ho ny sasany amin’ireo fihetsehana ireo mihitsy aza no manjary ho tonga fiainan’ny sasany.

NY IFANDRAISAN’NY MPAMPIANATRY NY MPISAVALALANA (INSTRUCTEUR) AMIN’NY ASA TANANA SY NY FIANARANA IREO

FANALANA ANDRO NA FIALAM-BOLY

1. Ny mpampianatra dia tokony hahatsapa fa ny anjara asany dia ny manaitra, manome fihaikana ary mitari-dalana ny Mpisavalalana amin’ny alalan’ny fanomezana sosokevitra ary hevitra.

2. Tsy maintsy mahalala ny momba azy sy ny manodidina azy ny mpampianatra mba handaminany ireo fotoana mety, ny fahafahana ara-pitaovana ary ny ora izay eo am-pelatanany na ny azony ampiasaina.

3. Tokony ho vonona ny hiaraka amin’ny Mpisavalalana hanao fikarohana sy fijerena ireo lafin-javatra izay mbola tsy nahazatra azy ireo ny mpampianatra: asa tanana vaovao, fomba fampitam-baovao tsy mbola fahitany, fahaizana manokana na talenta vaovao ary ireo fitaovana vaovao azo ampiasaina. Tokony hanampy ny Mpisavalalana izy mba handresy ny fahamenarana eo amin’ireo fanandramana vaovao ataony.

121

4. Tokony ho hitany fa ny toe-tsain’ny fahafinaretana sy fifaliana no hibahana mandritra ny lalao

5. Tokony ho tsapany sy ekeny fa zava-dehibe tahaka ny fahatrarana ny fahatanterahana sy ny fahatsarana kendrena eo amin’ny fahaiza-manao na ny tanora na ny fihetsiny manoloana ireo tanora.

6. Tokony hitady ny fomba hanampiana ny Mpisavalalana hahita sy hahatsapa ny mpitarika fa izy ireo anie dia afaka hanao ny tsara na hanatsara hatrany ny zava-bitany ihany koa.

7. Amin’ny fotoana rehetra dia azon’ny mpampianatra atao ny mitsinjara asa mifanaraka amin’ny vitan’ny Mpisavalalana. Manampy ny Mpisavalalana hampivelatra ny fahatsapana fandraisana andraikitra izy amin’izany.

8. Tokony hiaiky ny mpitarika fa maro ireo karazana fahaizana ananan’ny tsirairay. Tokony tolorana asa iray ny Mpisavalalana raha toa mahasoa sy miteraka ezaka mendrika ho azy izany

9. Tokony ho fantatry ny mpampianatra ny tombambidin’ny fitaovana hita maso manampy (visual aids) entina mampianatra sy ny fomba fampiasa azy ireny.

10. Tokony hanana fitehirizana manokana asiany ny fitaovana manampy toy ny modely, sary, hevitra ilaina sy mahaliana ary ireo fitaovana mikasika ny lafin-javatra mahaliana izay ampianariny ny mpampianatra.

11. Ny fialam-boly mahomby ataon’ny gropy izay tarihin’ny mpitarika dia manana hafanam-po, fahaizana mandamina, faharetana sy fandeferana ary fahaiza-manao mba hampidirina ireo fihetsehana ho amin’ny fiainana any an-tokantrano sy eo amin’ny mpiara-monina.

FAHAFINARETANA SY LALAO AO AMIN’NY ASA TANANA

1. Manampy ny Mpisavalalana hitarika azy ho any an-danitra ny asa tanana tsara raha toa ka avelany hitarika azy Andriamanitra ny amin’izany. Tombotsoa ho an’ireo mpitarika ny Mpisavalalana ny mitari-dalana ny tanora mba hifidy ireo mahaliana azy izay hanampy azy rahateo hampivelatra ny toetrany, tsy ho amin’ny maha mambran’ny klioba azy ireo fotsiny fa mba ho amin’ny fiainan’izy ireo mihitsy eto amin’ity tany ity.

2. Tsy tokony hiaina fiainana tsy mahomby ny kristiana. Ny fiainana kristiana dia tsy antontan’ny fandraràna fa fiainana feno zavatra azo atao.

3. Ilain’ny tanora ny mianatra mampiasa amim-pahendrena ireo fotoany mba hahazoany manararaotra ireo minitra fohy izay mandalo rehetra. Ankoatr’ireo efa fahazarana tsara sy talenta ananan’ny tsirairay dia tokony hanana fahalianana hafa mba hanome fialan-tsasatra kanefa afaka manamboatra sy mamolavola ny toetrany ihany koa izy.

4. Tsy voatery ho lafo mandrakariva ny fandaharana ho amin’ny asa tanana. Mety ho hita eny amin’ny toerana toy ny fandrafetan-kazo, ozinina fanamboaran-javatra ireny, ozinina fanamboaran-kiraro na hoditra, toerana fanamboarana vy na taratasy na plastika ary ireny toerana fanamboarana taila tanimanga ireny koa.

5. Ny mpampianatra tsirairay dia tokony hanana lisitr’ireo boky ahitana ireo asa tanana sy fialam-boly, ireo gazety boky ary ireo fitaovana ilaina ao an-trano mba omena ny kilasy. Mandritra ny fianarana ireo taranja fiofanana ataon’ny mpiandraikitry ny Mpisavalalana, ny asa tanana sy ny hevitra momba ireo fialam-boly dia tokony haseho ireo mambran’ny

122

mpiandraikitra mba ahafahan’izy ireo mampiasa izany mandritra ny fotoana malalaka ananan’izy ireo.

Mahasehaka lafiny lehibe sady malalaka tsara mihitsy ny fialam-boly. Indreto misy ohatra :

FIALAM-BOLY FORONINA (Passe-temps)Ireo asa tanana sy zava-kanto rehetra: asa atao amin’ny hazo, asa sikotra, fakàna sary, filalaovana an-dampihazo, asa tanimanga, fandrariana.

FIALAM-BOLY HIANARANAFianarana momba ny lalan’ny kintana sy ny mikasika azy (astronomie), fanatanterahana ireo fikarohana siantifika, fanoratana, fianarana teny (teny vahiny samihafa)

FIALAM-BOLY TANTERAHINAManao zaridaina, mitendry zava-maneno, fialam-boly eo anivon’ny zava-boahary (fandinihana vorona, fiompiana trondro), filomanosana.

FIALAM-BOLY FANANGONAN-JAVATRAVato sy ireo mineraly, akorandriaka, vola madinika, hajia, voan-javatra, fasika.

DINGANA SAMIHAFA EO AMIN’NY FANAOVANA FANDAHARAM-POTOANA MAHOMBY HO AN’NY ASA

TANANA1. Ny mpanolo-tsaina na ny mpampianatry ny Mpisavalalana no tokony ho voalohany eo

amin’ny fahaizana sy fahalalana tsara ireo asa tanana na fialam-boly. Izany no natao mandra-piandry ny avy any amin’ny federasiona ireo fanampiana na fanohanana ny asa tanana ao anatin’ny kilasim-pandrosoana, amin’ny alalan’ny torohevitra manokana, na azonareo atao ny manamboatra fitaovana ho anareo ampiasaina ho amin’izany fialam-boly sy asa tanana izany.

2. Tokony hahavita tanteraka hatramin’ny farany ny tetik’asa momba ilay asa tanana ny mpampianatra ka afaka hampiseho ilay modely vitany eo anatrehan’ny kilasiny.

3. Ny asa tanana nofidiana atao dia tokony ho tafiditra ao amin’ny fahaizana sy fahafahana ananan’ny Mpisavalalana.

4. Tsy tokony ho lafo vidy ka tsy ho takatry ny fahefa-mividin’ny Mpisavalalana izany.

5. Ny tetik’asa momba ny asa tanana dia tokony voarindra ka atao isaky ny telovolana ary asiana daty mazava tsara ny hanatanterahana azy.

6. Tokony hisy fotoana atokana ao amin’ny fandaharan’ny klioba mba ahafahan’ny mpampianatra tsirairay maneho amin’ny besinimaro ny fanaovana ilay izy na ny lesona mikasika ilay asa tanana notohanana.

7. Raha toa ka tsy ilaina ny mampiasa efitra lehibe sy arifomba mba hahatanteraka ny hitarihana kilasin’ny asa tanana, dia azo atao ny mampiasa efitra mifandraika amin’izay ilaina mba hiasan’ny Mpisavalalana tsirairay. Tena manampy tokoa raha samy manana toerana hitehirizana sy hametrahana ireo asa tsy vita ny tsirairay.

123

8. Tokony atao ampy tsara ny fitaovana rehetra ampisaina sy ilaina ho amin’ilay asa tanana mba tsy hahatonga ny Mpisavalalana hifampiandry fa mba hiasa mandritra ny fotoana rehetra. Ny kilasy tena idealy dia misy Mpisavalalana tsy mihoatra ny folo.

9. Toe-tsaina feno fifaliana sy fahafinaretana no tokony hisongadina mandritra ny oran’ny kilasy. Tsarovy fa ny fotoana feno fifaliana no tsara indrindra mampipetraka ny fianarana.

10. Mila manao izay faran’ny heriny ny mpampianatra hahita ny fomba hanampiana ny Mpisavalalana tsirairay mba hahavita tsara hatrany.

11. Raha azo atao, ireo tetik’asa na asa tanana izay tohanana dia tokony ireo ahazoan’ny Mpisavalalana mari-pahaizana amin’ny talenta manokana na fahaiza-manao manokana rehefa mahavita izany hatramin’ny farany izy.

12. Tokony ho vita planina ao anatin’ny fandaharan’ny klioban’ny Mpisavalalana ireo zavatra mahaliana, foara fialam-boly, varotra fampisehoana ary fandraisana anjara amin’ny foara isan-taona ho an’ny Mpisavalalana karakarain’ny federasiona.

13. Tokony ho hita ao amin’ny trano fitehirizam-bokin’ny klioban’ny Mpisavalalana ireo boky, gazety boky na ireo takelaka mampiseho ny karazana mikasika ny fialam-boly sy asa tanana,

FAMARANANAAo amin’ireo klioba lehibe dia mety hisy ny fanendrena ny talen’ny asa tanana izay

handrindra ny fandaharan’asa momba asa tanana rehetra mandritra ny taona. Azon’izy ireo atao ny mampianatra ny mpanolo-tsaina ary ho tompon’andraikitra ny amin’ny fitaovana ampiasaina rehetra. Hampihena ny vesatra eo amin’ny mpanolo-tsaina izany.

Anisan’ny ilaina eo amin’ny fiainantsika andavan’andro ny fialam-boly. Natao ho an’ireo manambola izany teo aloha saingy ankehitriny noho ny fanafohezana ny herinandro hiasana sy ny fihenan’ny ora isan’andro ary ny fampiasana ireo fitaovana na milina maro samihafa dia nanjary ampahany eo amin’ny antom-pisian’ny tsirairay ny fialam0boly.

Nandritra ny fotoam-pahazazana dia tena betsaka tokoa ireo oran’ny fialam-boly. Rehefa niditra an-tsekoly ny ankizy dia nampiasainy ny fotoana sasany tamin’izany. Ny fampiasana amin’ny tokony ho izy na amin’ny tsy tokony ho izy izany fotoana fialam-boly izany dia misy akony eo amin’ny tokantrano sy ny fiaraha-monina. Raha toa ka navela ho azy tsy notarihina tamin’ny fampiasana izany fotoana izany ilay ankizy dia azo antenaina fa ho sorena sy ho monamonaina izany ankizy izany satria tsy fantany izay hatao. Mety ho maro no ho hitany fa mitovy aminy ary dia hiforona ny taritarika izay mety ho tonga isan’ireo zaza maditra any aoriana.

Afaka miditra ao amin’ireo karazana asa tanana sy fialam-boly ny tanora amin’ny alalan’ny fampahafantarana ataon’ny klioban’ny Mpisavalalana. Ny tanora zandriny dia tokony hamporisihin’ny ray aman-dreny sy ireo mpitarika mba handray anjara amin’izany. Izany fandaharam-potoana izany dia hanome ny tanora tsirairay avy ny fahatrarana miandalana ireo tanjona izay hoentiny eo amin’ny fiainany any an-tokantrano ary hamaha ny olana mikasika ireo olan’ny oran’ny fialam-boly.

124

Ary Tsarovy fa:

Aza tohizana na taritina lavabe ny asa tanana iray. Tsy maharitra ela ny fihazonana ny fahalianan’ny tanora zandriny

Ezaho ranitina hatrany ny fahalianana amin’ireo karazan’asa maro samihafa

Manàna foara momba ny asa tanana tsindraindray izay hanasana ireo ray aman-dreny mba hahita ny zava-bita.

Ezaho ny hahazoana ny tsara mandrakariva kanefa fadio ny manakivy. Manaova fanamarihana tsara ary derao ny ezaka vitany.

Mametraha fanontaniana maromaro. Ampio ny Mpisavalalana handray fanapahan-kevitra amin’ny alalan’ireo torolalana omen’ny mpanolo-tsaina.

Anehoy modely tsara ny amin’ny zavatra afaka atao; diniho ilay modely.

Amporisiho ny Mpisavalalana mba hifanampy izy samy izy

Mazàna tsy mihoatra ny 45 minitra ny kilasin’ny asa tanana.

MARIHINA fa: ho an’ireo talenta na mari-pahaizana manokana misy na azo atao dia jereo ny Boky ho an’ny Fahaiza-manao ho an’ny Mpisavalalana (Pathfinder Honors Handbook)

IREO TETIKA NA TOROHEVITRA MADINIKA MOMBA NY FIALAM-BOLY SY NY ASA TANANA

Tanjona vitsivitsy izay manan-danja tokoa:

Hanome fahafaham-po ny faniriana hamoron-javatra Hampivelatra fahazàrana miasa amim-pahombiazana sy amim-pahamarinana Mampiseho ary mampianatra ireo fitaovana ampiasaina, ny fandrindràna, ny fahakingana

ary ny fahaiza-manao eo amin’ny fomoronana fomba fampiasa ireo fitaovana rehetra. Hanome fanandramana mba hatoky tena sy harisika eo am-panatanterahana ny asa Hikolokolo fihetsehana manana tanjona ho fialam-boly izay mety hitarika ho amin’ny

talenta manokana any aoriana any. Hampivelatra fahalianana sy fahaizana izay hanampy ny hafanam-po eo amin’ny fiainana

andavan’andro Ary ambonin’izany rehetra izany dia ny hampivelatra toetra izay hanatanjaka ny fiainana

ara-panahy

FIHETSEHANA EO ANIVON’NY ZAVABOAHARY

125

Ny fianarana rehetra atao mikasika ny zavaboahary dia tokony ho fotoana hanaovana fitsirihana mahavariana (aventure) ary tokony hisy mandrakariva ny faniriana lalina sy fientanentanana hahita zava-baovao. Mety ho tsaroanao ilay fotoana voalohany nahitanao ilay dobo mahafinaritra izay isan’ny zavaboahary. Na mety hitamberina ao an-tsainao ny fotoana voalohany nijerenao tamin’ny fitaovana fanitarana habe (microscope) ireo zavatra an’arivony maro mitoetra ao anatin’ny lomo-drano indray mitete fotsiny. Tsy nisy na dia iray aza nanadino ny fientanentanana tamin’ny fahitana voalohany rehefa nijery indray mitopy maso ny tontolon’ny zavatra nohariana.

Ny mpitarika mahay dia manara-maso tsara sy mijery ireo toe-javatra ambony izay mampisy lanjany eo amin’ny fiainan’ireo zava-madinika nohariana ary mandrisika sy mizara izany amin’ireo tanora zandriny mba hizara fihetseham-po mitovy amin’ny toe-tsaina feno fanantenana. Amin’ny fitsangantsanganana iray dia maro amin’ireto zavatra manaraka ireto no mety ho hita amin’ny maso mahiratra:

mpilalao fotaka manangona bolabolam-potaka ho an’ilay mpikarakara azy vitsika miompy lolo kely na samoina kely bibikely iray voageja ao anatin’ny tranon-kala hitsikitsika manangona fotaka hanamboarany ny ankaniny fihetsiketseham-pifankatiavana ataon’ireo vorona ny firiorion’ny voalavo an-tsaha eran’ny tanety ny fako kely mihetsiketsika entin’ny vitsika mandeha ny voangory misitrika anaty tany ny fiofon’ny jorery na bibilava na tarondro ireo foza misitrika ao anatin’ny akorany izay lehibe loatra sns…

Tsy hitovy ny fitsangantsanganana anivon’ny zavaboahary anankiroa satria tsy milaza aminao ny planiny ny zavaboahary na mandrindra ny fandaharany hanaraka ny baikontsika. Ny tena tsara dia ny fananan’ny mpitarika “ny fitsidihana” fahalalana maro sady mahasahana ny zavatra rehetra: manomboka amin’ny voan-javatra madinika afafy ka hatramin’ny elefanta. Kanefa ny fo vonona sy ny saina mavitrika sady marisika dia afaka mahasehaka ireo fahabangana maro eo amin’ny fahalalana manokana hany ka afaka miaraka mianatra sy mandalina ireo mpitarika sy ny tanora zandriny. Aza dia mihanina amin’ny fahitana zavatra kely arahina fotsiny raha nilaza i Profesora H. W. Clark hoe “manomboka eo amin’ny zaza minono ka hatrany am-pasana”. Mitadiava zavatra mikasika ny tantaran’ny fiainan’ny biby: ny fomba fiainany sy ny fahaizany miaina araka ny manodidina azy. Efa maro ireo fahalalana momba ny dingana maro samihafa mikasika ny tantaran’ny natiora izay azo ampiasaina ankehitriny ary azo lazaina ho manankarena amin’izany isika.

FAMPIVELARANA IREO RETSI-PANDRE Ny fomba iray hampivelarana ny fientanentanana ho amin’ny fikarohana zava-baovao

dia ny fanazarana hankafy ny zavaboahary amin’ny alalan’ireo retsi-pandre dimy. Tahaka ny ilàna ny fiankohofana sy fanajana amin’ny fotoam-pivavahana, ny fitsipi-pifehezana matotra dia ilaina ao amin’ny kilasin’ny tsianjery, dia tahaka izany koa ny ilàna ny toe-tsaina araka ny tokony ho izy, toe-batana ary fitsipi-pifehezana ara-panahy mba hanetsika ny fitiavana sy fankafizana ny natiora amin’ny alalan’ireo retsi-pandre.

Manaova fitsangantsanganana an-tongotra izay miovaova ny halavirana ka manomboka amin’ny mandeha antsasak’adiny ka hatramin’ny ora roa ny faharetany, ary isaky ny fandehanana dia afantohy amin’ny retsi-pandre iray ihany aloha. Rehefa any aoriandriana dia

126

azo atambatra ny fampiasana ireo retsi-pandre rehetra kanefa tsarovy fa tsy maintsy efa natao tsirairay izy ireo teo aloha. Indreto misy torolalana mety hanampy eo amin’ny fampivelarana ireo retsi-pandre:

Manaova be marenina na hoe aza henoina izay feo hafa rehetra mandalo ao an-tsaina, fa afantohy amin’ny natiora ny fihainoanao

Omeo fahafahana hiasa amin’ny fahafenoana ny retsi-pandre tsirairay amin’ny fifantohanao amin’io retsi-pandre io.

Jereo amin’ny maso sy ny sofin’ny mpanakanto, poeta ary mpitia mozika ny natiora.

Ny fijery(Mandehana miadana, makà aina ary mijere). Ny taratra manjopiaka eo amin’ny rano,

ny masoandro, ny aloka eny anelanelan’ny hazo eny, ny ranon’ando mandrakotra ny tranok’ala, ny hazavan’ny volana sy ny kintana, ny tany taka-maso sy ny bika amana tarehiny izay toa mikitoantoana sy milantolanto anefa, ireo karazana zavamaniry sy ny endrika entiny eo amin’ny tontolo hita maso manodidina, ireo zaridaina eny an-tampon’ny toerana nisy hazo avy notapahina, ny volon-kazo (karazana lomotra) mihantona eny amin’ny hazo eny, ireo karazan-kazo maro samihafa ary ahitana ireo fahasamihafan’ny fomba haniriany (ireo kesika tsofin’ny rivotra mafy ohatra) sns.

Ny fihainoana(Aza miresaka – mandehana fotsiny, makà aina ary mihainoa.) Ny filatsaky ny orana

eny amin’ny ravinkazo sy amin’ny tany, feon’ny rano mikoriana, ny feon’ny antontan-drano, ny tsio-drivotra miovaova, feom-borona miantso sy mihira, ny adiadin’ireo “ecureuils”, ny fipoapoakin’ny kitain’ny afon-dasy mirehitra – mampiasà karazan-kazo samihafa, ny filatsahan’ireo ravin-kazon-kesika sy ny fiendakin’ny hodin-kazo kesika, sns.

Ny tsiro(Andramo sy kaikero kely fotsiny fa aza atelina. Tandremo amin’ireo hodiny izay

maisamaisatra toy ny poizina avy amin’ireo zava-maniry mandady “lierre”). Ireo karazana voaroy samihafa (afa-tsy ireo fotsy), ireo tsimo-kazo araka ny karazany avy, ireo tahon-kazo kely samihafa, ireo hodi-kazo isan-karazany, ravin’ireo karazana solila (“menthe”). Farano amin’ny fanaovana karazana fisotro avy amin’ireo ravinkazo toy ny “mille feuilles” na dite azo avy amin’ny solila ka sotroina mandritra ny afon-dasy.

Ny fanamboloanaIreo karazana solila, sakamalaho dia, “sauge”, ditin-kazo eny amin’ny hodi-kazo,

ravin-kesika voahitsaka, hodi-kazo voahitsaka araka ny karazany avy, ny setroka azo avy amin’ireo karazan-kazo (ala, mimosa, sedera, sns), ny setroka azo avy amin’ireo karazan-kesika sy ny raviny. Farano amin’ny fanamboloana ireo karazana fisotro natao avy tamin’ny solila isan-karazany sy ireo hazo izay maitso mandrakariva, sns.

Ny fikasihana na fitsapana(Tandremo hatrany ireo zavamaniry izay manana hoditra marokoroko na

maisamaisatra toy ny zavamandady misy poizina (lierre) na ireo zavamaniry mampangidihidy raha kasihina.) Ireny zavatra miraikidraikitra ireny, volon-kazo na lomotra, ravinkazo izay samy manana ny karazany ka ny sasany marokoroko na malamalama raha atehaka amin’ny tava na amin’ny molotra, hodi-kazo marokoroko, hodi-kazo malamalama, ireo zavamaniry maditidity na miraikidraikitra, rivotra, ranonorana, ranomandry (neige), avandra, masoandro.

Ny fahatsapana anaty

127

(Ireo ambony rehetra ireo dia mitaky fifehezan-tena matotra tanteraka mba hahazoana akony tsara.) Ny fahanginana eo anatrehan’ny hatsarana, fialana sasatra tanteraka eo ambonin’ny karipetran’ny volonkazo, fandinihan-tena mangina sy vavaka mangina, mihira malefaka eny an-dalana, mamaky boky amin’ny toe-po mifanaraka tsara amin’ny tononkalo na tononkira, sns. Ny tena faratampony mahafinaritra amin’izany fanandramana rehetra izany dia ny hananan’ny mpandray anjara tsirairay avy misinda kely ary mitokana mihitsy mba hipetraka ao anatin’ny fahanginana tanteraka ao anatin’ny folo (10) minitra.

Tokony hikatsaka mandrakariva ohatra na lesona azo tsoahina ny mpitarika. Apetraho tsara ny hevitra fototra ary avy eo ny faharanitan-tsain’ny Mpisavalalana no hanao ny fampiharana

Eny fa na dia ny rihi-potaka aza dia afaka haneho taratra ny lanitra Ireo rantsan-kazo maniry rehetra dia mitady hazavana Mamoaka fofona mamerovero kokoa ny zavamaniry rehefa voatorotoro

Raha sendra ka azon’ny fakam-panahy ianao hieritreritra hoe tsy misy fotoana ahafahana manaraka ny drafitra toy izao voasoritsoritra izao dia tsarovy fa Ilay Mpampianatra Lehibe dia nanaraka drafitra tahaka io na ho an’ny Tenany na ny niarahany tamin’ny mpianany. Izy no ohatra ho antsika.

Rafeto ao anatin’ny drafitry ny fandaharam-potoana izany

Ity toromarika fanoritsoritana ity dia hanampy anao hahatakatra ny fomba handrafetana ny fihetsehana atao eo anivon’ny natiora izay hampidirinao ao anatin’ny fandaharam-potoan’ny Klioban’ny Mpisavalalana mandritra ny taona. Raha toa ka fandaharam-potoana iray volana fotsiny no voasoritsoritra eto dia ilainao ny handrafitra mialoha ny fandaharana mandritra ny taona iray. Ataovy izay hampidirana ny fihetsehana eo anivon’ny natiora ho toy ny ampahany tena raikitra mihitsy ao anatin’ny fandaharam-potoan’ny klioba mandritra ny taona.

Tanjon’ny fandinihana ny natiora mandritra ny taonaHampisy na hamorona ny fahalianana sy ny fankasitrahana ary fankafizana ilay

tontolo nataon’Andriamanitra ho antsika mba hiainana.

Tanjona fototra mandritra ny volanaManomboka manorina toerana firaketana ho an’ny klioban’ny natiora

Tanjona manaraka mandritra ny volanaLasy mivoaka eo anivon’ny natiora

Alohan’ny hanombohana handrafitra ny tanjona fototra dia tokony hametraka fanontaniana maromaro amin’ny tenany aloha ny mpitarika. Raha eo amin’ny lafiny fanorenana ilay trano na toerana firaketana momba ny natiora dia indreto ny fanontaniana izay mety hahasahana izany toy ny hoe:

Manomana toerana ho an’ny asan’ny firaketana Inona ny karazana santionany hanombohana azy? Toerana malalaka toy ny inona no ilaina? Fitaovana toy inona ary talatalana fitehirizana toy inona no ilaina?

Fanangonana ireo santionany isankarazany Aiza ny toerana hakana ireo santionany?

128

Inona avy ireo fitaovana ilaina amin’ny fanangonana?

Fisokajiana ireo santionany Inona avy ireo boky ilaina? Moa mety hisy matihanina afaka hanampy amin’izany ve?

Fandrafetana sy fametrahana ny anaran’ireo santionany Inona avy ireo fitaovana ilaina amin’izany? Faharetan’ny fotoana mety ho lany amin’izany?

Fiomanan’ny MpitarikaEnto mivoaka ireo mpitarika ny Mpisavalalana na tolory boaty kely rizareo mba hahafahany miasa hanao ny sarin’ireo natiora ao anatin’ny Baiboly. Fandaharana azo atao tsara ny Sabata folakandro izany ary hanome fotoana ho an’ireo mpitarika mba hianatra ny fanamboarana azy. Fidio izay hafakely indrindra, ny sarotra vinavinaina, ny tsara indrindra, sns.

Ataovy amin’ny toerana samihafa ny fitsangantsanganana eo anivon’ny natiora. Isaky ny mijanona dia asaivo mamantatra zavatra iray ny mpitarika toy ny hoe ny toerana, ny karazana bozaka, volom-borona iray, zavamaniry iray, voninkazo iray, voanjavatra, sns.

Ento mandeha mitsangantsangana dia an-tongotra ireo mpitarika ny Mpisavalalana ary asaivo misintona lesona avy tamin’ny zavatra hitany ny tsirairay. Fihetsehana tena tsara ary azo atao ho an’ny Mpisavalalana ihany koa izany ny Sabata folak’andro.

Mitondrà matihanina momba ny natiora hitarika anareo eo amin’ny fandaharana sy ny hevitra maro samihafa.

LALAO SY FIHETSEHANA EO ANIVON’NY NATIORANy ankamaroan’ny tanora zandriny dia tia milalao. Ny mpitarika hendry misahana ny

momba ny natiora dia hampiasa io faniriana io mba hambolena ny fahalianana amin’ny zavaboahary. Noho ny fananan’ny mpitarika misahana ny natiora saina tia karokaroka dia ho maro araka ny karazany ny lalao izay azo atao. Ny mpitarika ny Klioban’ny Mpisavalalana misahana ny natiora dia hanana fomba maro samihafa ny Sabata mba haneho ny faran’izay vitany momba ny natiora amin’ireo mambran’ny klioba. Maro ireo lalao momba ny natiora azo atao ny Sabata na azo atao mora foana ny mandrindra izany ho amin’ny Sabata.

FIKAROHANA ANARANA EO ANIVON’NY NATIORA ARAKA NY ALFABETA

Ny tarika tsirairay dia manao tatitra ny zavatra hitany ary ampifanarihiny araka ny litera ao amin’ny alfabeta. Ohatra: A – ampanga; B – bozaka; D – dobo

FIKAROHANA NATIORA AO ANATIN’NY BAIBOLY

129

Fitaovana ilainaBaiboly misy fizahan-teny, pensilihazo ary taratasy

Fomba fanatanterahana azyAmin’ny fampiasana Baiboly sy konkordansa, ny mpianatra tsirairay avy dia mitady

zavatra voalaza amin’ny anarany ao anatin’ny Baiboly, maro araka izay hitany. Tokony horaisina lisitra araka ny karazany avy toy ny hoe hazo, vato, biby, vorona, kintana, sns. Tokony hosoratana eo ambany miaraka amin’ny toko sy andininy ny anaran’ilay zavatra hita. Rehefa aty aoriana, mandritra ny folak’andro fitsangantsanganana eo anivon’ny natiora, dia azo ampiasaina io lisitra io mba hanamarihana sy hahitana ny isan’ny zavatra voatanisa ao amin’ny Baiboly ka hita eny amin’ny manodidina na azo angonina.

LALAO AN-TSEHATRA AVY AMIN’NY TANTARA AO AMIN’NY BAIBOLY

Zarao ho tarika na andiany madinidinika ho enina (6) ka hatramin’ny folo (10). Omena baoritra matevina mirefy 30 sm x 38 sm ary takelaka metaly manify. Asaina ny gropy mba hitady sehatra ao anaty Baiboly ka afaka hampiasaina ny baoritra mba hanaovana ny endrika fototra ary ny takelaka metaly manify hanaovana ireo renirano na dobo ary ireo zavatra azo avy amin’ny zavaboahary toy ny volon-kazo na volom-bato (lomotra), ampanga, voninkazo, vato, hodi-kazo, sns.

Ohatra sehatra iray azo ampiasaina amin’ny fotoana manokana iray ny sehatra mitantara ny fitobian’ny Zanak’Israely teo akaikin’ilay harambato izay namoaka rano tampoka. Rakofana lalotra fasika indray mandeha ilay baoritra. Asiana antontam-bato amin’ny zorony iray. Eo ambanin’ny vato iray efa ery amin’ny faratampony dia asiana takelaka metaly manify midina toy ireny renirano mihalehibe ireny ary manapaka ny savaivo ka miafara eny amin’ny zorony mifanohitra aminy. Asiana raviny telo na efatra amin’ilay zavamaniry misy tsilotsilony (“chardon”) iny mba hanehoana ireo zavamaniry any anaty efitra na tany hay ary asiana tapa-kazo kely maina vitsivitsy mba hampihaingoana ireo antontam-bato sy ny tora-pasika natao. Asiana tapa-kazo kely maitso roa amin’ny sisiny mba hahatonga ilay sehatra tany hay ho velombelona. Eny amin’ny sisiny mifanohitra amin’izay dia asiana ireo trano lay izay mirefy 2,2 sentimetatra tsirairay ary natao tamin’ny ravinkazo maina, ary atao mitandahatra tsara. Olona natao tamin’ny hazokely no hita mankeo amin’ny renirano ary lavidavitra kely eo dia asiana vatokely boribory fotsifotsy izay entina hanehoana ny ondry misotro eo amin’ny renirano.

ENTO MIAINA ILAY TANY AN’EFITRA IZY IREO

Manaova fitsangantsanganana iray ahazoan’ny tanora zandriny mahita na mitady ary koa manangona ireo santionan’ireo zavamanan’aina toy ny voangory, vitsika, kankana, bibikely ary ireo bibikely maro rantsana “mille pattes” sy ny tahaka azy. Rehefa tonga any amin’ny lasy dia iverenana dinihina tsara daholo izy rehetra (mampiasa ireny fitaovana fijerena izay manalehibe ireny), dinihina tsara, ianarana ary fantarina. Raha tafiditra ao ny sahona sy saobakaka ary ny sokatra dia tokony hisy ny toerana voatokana sahaza azy ireo ary rehefa vita ny fianarana sy ny fandinihana azy ireo dia alefa miverina any amin’ny toerana fipetrahany ireo biby ireo. Ny fanajana ny ain’ireny zavatra madinika ireny dia tokony ho tafiditra ao amin’ny fihetsehana momba ny fianarana.

130

“FANADIHADIHANA MIKASIKA NY TOETRY NY TANY”

Mety hahafaly ny ankizilahy sy ny ankizivavy ny hianatra ny sarin-tany mikasika faritra iray. Mifidiana lalana iray, manaraka lalankely any anaty ala na manaraka tsongodia ka asio marika eo amin’ny sarintany isaky ny toerana lalovana. Mariho tsara amin’ny sarintany koa ireo toerana mahaliana misy ireo mineraly, saha misy voninkazo, kamory kely na toerana mandomando na honahona misy sahona sy soabakaka ary ireo tsiboboka araka ny fivelarany sy fitomboany misy (dingana efatra ohatra). Ny dobo dia tena toerana paradisa kely ho an’ny fikarohana eo anivon’ny natiora. Ankoatr’ireo karazana sahona efa noresahina teo aloha dia ao anaty dobo ihany koa no ahitanao ireo bibikely hiofo ho angidina izay manana valanorano lehibe tokoa, kankana lavalava kely, orita (pieuvre), bibilava miraikitra amin’ireo zavamaniry any anaty rano lalina, karazana tsiboboka, ireo bibikely milomano amin’ny lamosiny, ireo olitra kely hiofo ho moka sy ireo bibikely maro samihafa ao anaty kamory lazaina eto ambany.

FITSANGANTSANGANANA ENY AN-TSAHA AHITANA IREO ZAVABOAHARY VOALAZA AO AMIN’NY BAIBOLY.

Jereo ireto toko sy andininy manaraka ireto izay mikasika ny natiora. Rehefa voaray an-tsoratra ireo zavatra ireo dia ataovy izay ahitana ny faran’izay be indrindra hita. Raha toa ka maro no ilazana ilay zavatra iray dia iray amin’ny karazana ihany no tadiavina. Raha toa kosa ka maro ireo zavatra tanisaina ao anatin’ny toko sy andininy iray dia ny litera fiandohan’ilay zavatra no manondro ny valiny tadiavina.

Amin’ny fampiasana ny Baiboly sy ny konkordansanareo dia mitadiava anarana zavaboahary maro hafa faran’izay betsaka ary ezaho tadiavina indray eo amin’ny toerana misy anareo izany.

Amin’ny alalan’ny fanomezana isa iray isaky ny anarana hita ao amin’ny Soratra Masina, isa iray ho an’ny fahitana io zavaboahary io teny an-tsaha fitsangantsanganana ary isa iray ho an’ny fanaporofoana fa izy marina ilay zavatra hita, ny fitambaran’ireo isa ireo no mamaritra izay tarika manana ny tontalin’isa ambony indrindra.

Salamo 103:5 V

Joba 39:26 H

Deo.14:18 V sy ny V T sy ny M

Sal.84:3 T sy ny S

Deo.14:15 O sy ny T V sy ny H

1 Mpanj.5:3 D________________

Isa.2:20 V_________________

Sal.118:12 R_________________

Lev.11:22 V_________________

131

Isa.35:1 L_________________

Sal.78:46 S_________________

Joba 8:11 Z_________________ sy ny H_______________

Sal.105:30 S_________________

Isa 50:9 K_________________

Isa 60:13 K_________________ sy ny P______________

Joba 40:22 H_________________

Hosea 4:13 P_________________ ary ny T________________

Joba 8:14 T_________________

Isa 55:10 R_________________ sy ny O________________

Oha.30:28 A_________________

Tononkira 2:12 V_______________ sy ny D________________

Amosa 8:1 V_________________

Salamo 90:5 A_________________

Mpit.T 12:5 V__________________

Joba 2:8 An-d_______________

Isa 34:11 P__________________

Oha.11:28 R_________________

Hosea 8:7 V_________________Oha.6:6 V_________________

Isa 2:13 O________________

Sal.91:4 V_________________

Matio 7:26 F_________________

Mika 7:17 V_________________

Hosea 14:5 L_________________

Lev.11:30 A________________ sy ny K_____________

132

1 Mpanj.14:15 V_______________

Gen.27:28 V________________

Deo.8:8 V______ t_________ sy ny V______h_________

Joba 31:40 T________________

HERINANDRON’NY FAMORONANA

Ny fomba filalaovana ity lalao ity dia tsinjaraina ho enina tarika ny mpilalao. Ny tarika tsirairay dia maneho ny andro namoronana tsirairay. Aorian’ny fanomezana alalana na kiririoka dia samy mandeha daholo ny tarika ka manangona ireo zavatra nohariana tamin’ny andro izay soloiny tena. Miverina ireo tarika ireo rehefa tapitra ny fe-potoana nomena azy ireo, ary dia manomboka maneho ny karazana hitany izy ireo ary manome fanazavana faran’izay lava vitany mikasika ireo zavatra hitany sy ny ifandraisany amin’ilay andro namoronana asehony. Ho an’ny andro sasany, toy ny andro fahaefatra, izay tsy ahafahana mitondra ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, dia asaina ny tarika hitondra ireo zavatra manana akony azo avy amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana ; ohatra amin’izany ny maha-maitso ny ahitra noho ny tanamasoandro. Amin’izany fomba izany dia afaka handray anjara daholo ny tsirairay ary tsaratsara kokoa raha mba afaka ny handray anjara fitenenana daholo ireo ao anatin’ny tarika fa tsy olona iray irery no miteny.

HELLEN KELLER

Tantarao ny tantaran’i Hellen Keller izay na dia tsy nanana ny roa amin’ireo retsi-pandre dimy aza dia afaka naharesy izany kilema izany ka nanana fiainana falifaly, nanana ny antony ary nampiaiky ny hafa.

Tampeno ny mason’ny Mpisavalalana iray ary tsentseno ny sofiny. Alefaso izy hanandrana hitsapa sy hamantatra zavatra fahita isan’andro. Tampeno ny mason’ny Mpisavalalana rehetra ary zarao tarika roa izy ireo. Amin’ny alalan’ny fikasihana amin’ny tanana ihany dia asaivo mitsinjara ireo zavatra tsapany araka ny karazany izy ireo toy ny hoe vato, zavamaniry, biby, ary avy eo dia asaivo mamantatra marina ilay zavatra izy ireo. Voninkazo, voan-javatra, vato, akorandriaka ary ravinkazo koa dia azo ampiasaina daholo. Tariho ho eny amin’ny hazo ilay Mpisavalalana iray mitampina maso ary asaivo fantariny amin’ny alalan’ny firafitry ny hodiny, ny raviny, ny voany, ny rantsany, ny laingony, ny fofony ary ny tsirony sy ny sisa ilay hazo.

Farano amin’ny famantarana sy fanadihadihana mikasika ny fampisana sy ny hatsaran’ireo zavatra ny lalao rehefa avy nampiasaintsika daholo ireo fahafahana avy ao amintsika. Tena tiantsika tokoa ireo retsi-pandre ananantsika rehefa misy amin’izy ireo alàna amintsika na dia ora sy fotoana vitsy monja aza.

LALAO FAMPIRAISANA NA FAMPIVADIANA ZAVATRA MIFANARAKA

Mba hanatanterahana ny lalao dia tsy maintsy mandeha mankeny amin’ilay toerana hilalaovana aloha ny mpitarika ka manangona ireo karazan-javatra toy ny ravin-kazo, rantsan-kazo, voninkazo ary voan-javatra sy ny sisa. Afenoy an’ireo mpilalao ireo zavatra ireo (tsara raha harona taratasy no ampiasaina hitehirizana ireo zavatra ireo) ary azo atomboka amin’izay ny lalao. Raiso ny iray amin’ireo karazana nangonina ka asehoy ny tarika ary asaivo ampifanarahiny na ampivadiany amin’ny zavamaniry na hazo na bozaka na zavatra hafa ilay karazana nasehonao mba hilazany ny nihavian’ilay nasehonao.

133

Izay iray nahita ny valiny voalohany na nampivady marina ny hita no mahazo ny isa. Avereno izany amin’ny alalan’ny fampisehoana ny karazana faharoa indray ary ampivadio toy ny teo. Tohizana hatramin’ny farany izany mandra-pahavitan’ny karazana rehetra nangonina. Ny mpilalao na ny tarika izay nahazo isa be indrindra no mpandresy.

FITSANGANTSANGANANA ANATY ZAVABOAHARY

Zavatra niharan-dozaMitadiava zavatra izay simban’ny varatra, vato voazaran’ny hazo, zavatra simban’ny

haintrano na afo, ravin-kazo izay rimbona, voronkely na fiainan’ny zavamaniry izay simban’ny mpitsangantsangana na mpilasy. Maro ireo azo raisina.

Zavatra very na narianaMitadiava hoditra izay niala tamin’ny bibilava na bibikely hafa, volomborona na

ravinkazo nihintsana.

Olona mitsangana eo amin’ny laharana voalohanyMilahatra laharan-tokana ny tarika ary eny an-dalana dia ajanon’ny mpitarika amin’ny

toerana iray izy ireo, toerana izay ahitan’ny mpitarika zavatra iray hitarihana ny sain’izy ireo. Mametraka fanontaniana amin’ilay Mpisavalalana eo amin’ny laharana voalohany ny mpitarika. Raha mahavaly ny fanontaniana ilay Mpisavalalana dia mijanona eo amin’io laharana io ihany izy. Raha toa kosa tsy mahavaly ny fanontaniana izy dia mivadika any aoriana indrindra amin’ilay laharana. Tsy tokony hihoatra ny 15 ny isan’ny ao anaty tarika.

FandrikaMitadiava tranonkala, fandrika na fisamborana lalitra, sy ny sisa.

Feo sy hazavanaFiry ny loko hitan’ny tarika misy anao? Firy ny isan’ny feo miavaka tsara afaka

nohenoinareo toy ny an’ny valala, sahona, vorona, rivotra?

Mariky ny tonon-taonaMitadiava zavatra manambara ny tonon-taona toy ny fiovan’ny zavamaniry sy ny

biby, ny fifindra-monina ataon’ireo vorona sy ny sisa.Vato folo

Omena vato folo ny Mpisavalalana tsirairay. Raha mbola eny am-pandehanana mitsangantsangana eny ny tarika dia manondro zavatra iray ny mpitarika ary mametraka fanontaniana mifandraika amin’iny. Mangataka ny iray izy hamaly. Ny tsirairay izay manome valiny marina ny fanontaniana dia afaka manary vato iray. Izay iray voalohany mahavery ny vatony rehetra amin’ireo Mpisavalalana no maharesy. Fomba iray ahafahana mampianatra ny fahamarinana amin’ny asa (honnêteté) koa io lalao io satria ny tsirairay no mitsara raha manana ny valiny marina ao an-tsainy izy ireo.

FitateranaFantaro ny fomba nahatonga ireo zavamaniry na biby eo amin’ireo toerana ireo.

Ankoatry ny fandehanana an-tongotra, ny fandadiana, ny fisidinana, dia misy ireo nentin’ny rivotra na nentin’ny biby mivelona amin’ny fiankinana amin’ny zavatra hafa (parasite).

FIHAZANA ATAO AO ANATY ZAVABOAHARY

15 ka hatramin’ny 60 ny isan’ny mpilalao ary manomboka amin’ny tanora zandriny ka hatramin’ny tanora zokiny. Manaova sarin’ilay toerana hanaovana ny fihazana ary asio marika mifanelanelana mitovy miala avy any amin’ny fiaingana.

134

Alamino ho tarika efatra na dimy ny mpilalao ary alefaso manaraka ilay lalana nofaritana ka mankamin’ny toerana voafaritra mazava tsara ny tarika tsirairay. Eo amin’ny 15 ka hatramin’ny 20 minitra eo no holaniana amin’ny fandehanana sy ny fiverenana. Rehefa tafaverina ireo tarika ireo dia asaivo manao tatitra ny amin’ny zavatra hitany. Hahaliana tokoa ilay tatitra raha toa ka tantarain’ny tarika amin’ny antsipiriany ireo karazan-javatra hitany nandritra ny fihazàna. Ny mpitarika no tokony hahalala voalohany izay zavatra mahaliana hita ao amin’ilay toerana hanaovana ny fihazana. Mety ho ilaina ny hanazavan’ny mpitarika ny sasantsasany amin’ireo zavatra tsy fahita loatra kanefa hita tany am-pandehanana.

LALAO FITADIDIANA IREO ZAVABOAHARY

Ho an’ity hetsika iray ity dia mila latabatra na solaitrabe iray metatra toradroa efa omanin’ny mpitarika mialoha. Asiany zavaboahary fahita isan’andro 15 ka hatramin’ny 20 eo amboniny. Saronana lamba izany mandra-panombohana ny lalao. Zarazaraina ho tsirairay, na tsiroaroa na andiany kely misy ankizy telo ka hatramin’ny dimy ny ankizy rehetra. Omena pensilihazo sy taratasy izy ireo ary alamina ny toerana mba samy hahatazana sy hahita daholo ny rehetra. Rehefa omena ny baiko dia samy mangina daholo ny rehetra ary alàna ilay lamba na rakotra ka avela hisokatra mandritra ny 30 segondra tsy diso. Mandritra izany fotoana izany dia tsy mahazo manoratra na miresaka na manao zavatra hafa izy ireo fa ny mijery ihany no ataony. Rehefa tapitra ny 30 segondra dia rakofana indray ilay tabilao na latabatra ka avela hanoratra mandritra ny dimy minitra ny anaran’ireo zavaboahary izay teo ambony latabatra na teny amin’ny solaitrabe izy ireo. Raha toa ka vitsy ny mpilalao dia tsara raha aparitaka tsy atambatambatra izy ireo mba hahafahany manao lisitra tsy mitambatra amin’ny tarika hafa. Tsy ekena ny anarana misafo be fotsiny raha tsy dia hoe tsy kinga saina angaha ny tarika, tsaratsara kokoa raha tena lazainy amin’ny anarany tena izy ilay zavatra.

FITSANGANTSANGANANA MITOHY

Ny fitsangantsanganana dia atao amin’ny fotoana voatondro araka ny fandaharana ka mijanojanona eny amin’ny toerana izay mifanaraka tsara amin’ny hetsika atao amin’ny oran’ny Sabata. Indro atolotra eto ny ohatra harahina amin’izany fitsangantsaganana mitohy izany:

Fiatoana #1. Fanontaniana 20 avy ao amin’ny Baiboly

Mifidy ankizilahy na ankizivavy iray izay asaina mieritreritra zavatra avy ao anaty Baiboly; mety ho zavamaniry na biby na vato izany. Manana fanontaniana 20 ny Mpisavalalana rehetra mba hamantarana sy haminavinana izany zavatra noeritreretin’ilay Mpisavalalana voalohany teo. Raha toa ka tsy mahita ny valiny ny Mpisavalalana taorian’ny nametrahan’izy ireo ny fanontaniana 20 dia manao lalao hafa indray ilay Mpisavalalana nieritreritra teo. Ny fanontaniana dia valiana amin’ny “Eny” na “Tsia”.

Fiatoana # 2. Sary eo ambony fasika

Zarao roa na mihoatra ny tarika ka asaivo manao sary eo amin’ny fasika. Samy mamaritra ny toerany avy eny ambony fasika ny tarika tsirairay. Mitady toerana ahitana ireo zavaboahary afaka hanaovana zaridaina sinoa, modely kely anehoana ny toerana misy ny biby rehetra sy ny zavamaniry (parc) na endrika hanehoana tantara iray ao amin’ny Baiboly ireo Mpisavalalana. Azon’izy ireo atao ny mampiasa voninkazo na ravina maina sy voan-javamaniry, sombin-kodi-kazo, vato, hazo kely, fotaka, zozoro, hodim-boan-javamaniry, volomborona, sns… Arakaraky ny hanangonan’izy ireo sy hihazonany eny an-tanany ireo karazan-javaboahary ireo no mainka mahaliana azy ny mombamomba ny zavatra maro.

135

Fiatoana #3. Tantara

Afaka manao tantara mikasika ny zavaboahary na tantara eny an-kalamanjana mandritra ny fotoana ipetrapetrahan’ny ankizy eny ambody tendrombohitra eny.

Fiatoana #4. Fantaro na vinavinao ny anarakoVoalohany indrindra dia milaza ny momba azy aloha ilay mpitarika toy ny hoe “Izaho dia vorona”, na “Izaho dia biby mampinono”, na koa hoe “Izaho dia hazo”, sns. Omeny amin’izay ny hevitra manampy hahalalana ny zava-tsarotra eo amin’ny # 7 ao amin’ny lalao, raha tsy misy mahita ny valiny dia manohy hatrany ny fanomezana ny hevitra ilay mpitarika. Tsy mijanona manome ny hevitra ny mpitarika raha tsy efa misy mahita ny valiny marina. Ny marika mipetraka eo akaikin’ny hevitra omena dia isa omena izay mahavaly ny fanontaniana marina araka ny nahitany azy.

Ohatra: “Izaho dia vorona”7. Kely noho ny goaika aho ary lehibebe kokoa noho ny “roitelet”6. Ireo bibikely sy kankana no tena katsahiko mafy5. Haiko tsara sy kinga ery aho mihanika hazo4. Ireo rantsan-tongotro efatra dia mamikitra haingana eo amin’ny hodin’ny hazo3. Maintimainty malamalama misy tasy maitso ny voloko2. Ao anatin’ny lavaka eny amin’ny foto-kazo sisa efa voakapa ny vatany na any anaty hazo no asiako ny ankaniko1. Kapokapohiko sy sokitsokiriko amin’ny vavako hazo

Vorona misokitra hodi-kazo mba hitadiavana bibikely aho – “Pic” (amin’ny teny frantsay)

FITSANGANTSANGANANA EO ANIVON’NY ZAVABOAHARY ATAO AN-KIRA NY SABATA

1. Zarao ho andiany 2 ka hatramin’ny 4 ny tarika, miankina amin’ny isan’ny mpandray anjara ny hizarana ny tarika.

2. Asaivo mifidy mpitarika sy mpitantsoratra ny andiany tsirairay3. Fero ny halavam-potoana hanaovana ny fitsangantsanganana4. Aorian’ny baiko omena dia samy mandeha miadana manjohy any amin’ny hitsiny avy, ka

lalana samihafa, ny tarika tsirairay miala avy eo amin’ny toerana fiaingana.5. Mandritra ny fitsangantsanganana, ny mpandray anjara rehetra ao anatin’ny andiany dia

samy mitady zavaboahary manodidina azy izay mampahatsiahy azy ireo hira na andinina hira. Raisin’ilay mpitantsoratra haingana izany (ilay zavaboahary sy ilay hira mifandraika aminy). Tsy misy bokin-kira mahazo entina manaraka eny an-dalana.

6. Rehefa tafaverina eo amin’ilay toerana niaingana tao anatin’ny fotoana nifanarahana izy ireo dia jereo izay tarika manana lisitra hira lava indrindra na betsaka indrindra izay mifanaraka tsara amin’ilay zavaboahary hitany.

7. Asio antsan-kira amin’izay izao amin’ny fampiasana ireo hira ao anaty lisitra. Omeo fotoana mifandimbindimby avy ny andiany tsirairay mba hanonona hira ka hohiraina.

Ny azo hanovaovana azyAsio mpitarika hira iray sy olona mianatra ny zavaboahary (naturaliste) mandeha

aloha any amin’ny lalana harahina raha hitsangantsangana ary manangona hira mifandraika amin’ny zavaboahary hita any. Any amin’ny fitsangantsanganana dia manondro hira iray ilay mpitarika hira sy ilay mpianatra ny zavaboahary miaraka mihira izay hira mifanaraka aminy izany.

136

Fomba iray hafa koa hanovaovanaAmin’ny famaranana ny fitsangantsanganana dia ampitahao ny toko sy andininy hita

ao amin’ny Baiboly ary ireo zavatra hita teo amin’ny zavaboahary izay mampahatsiahy ireo toko sy andininy. Alohan’ny hanombohan’ny fitsangantsanganana dia ataovy azo antoka tsara aloha ny hifanarahan’ny andiany rehetra raha azo atao ny mampiasa Baiboly.

MANISY TSATO-KAZO AMIN’NY TANY

Ho an’ity fihetsehana ity, ny andiany tsirairay na tarika hafa miaraka amin’ny mpitarika olon-dehibe iray dia manamarika haingana eo amin’ny toerana manodidina ary manitsy tsato-kazo araka ny haben’ny toerana hifanarahana. Tokony hiankina amin’ny habetsahan’ny isan’ny gropy ny haben’ny toerana faritana. Ho an’ny gropy kely misy dimy na enina ao anatiny dia toerana voafaritra eo amin’ny 4 metatra tora-droa sy sasany dia ampy; raha maromaro kosa ny ao anatin’ny gropy dia mahatratra hatramin’ny 15 metatra tora-droa ny ilaina, kanefa ny toerana voafaritra lehibe toy izany dia tsy maintsy mitaky asa lehibe koa eo amin’ny fanaraha-maso ireo santionana zavaboahary hita ao anatin’izany toerana izany.

Ny zavatra atao voalohany indrindra eo amin’ny fametrahana ny tsato-kazo dia ny famaritana mazava tsara ny zorony efatra mba ahafahan’ny tarika hafa aty aoriana mahita izany. Dia manomboka amin’izay ny fanangonana sy fanomezana anarana ireo santionan’ny zavaboahary hita ao. Tokony avelan’ny mpitarika hanao izany ny tanora. Manendry mpitantsoratra ho an’ny gropy mba hanao lisitra sy hitahiry ireo santionana amin’ireo zavatra hita sy nomena anarana. Tokony hotsinjarainy araka ny karazana ny lisitra ananany toy ny hoe hazo, zavamaniry madinika (plante), bibikely, marika navelan’ny biby nandalo na biby misari-monina na karazana hafahafa tsy fantatra loatra.

Aorian’ny fotoana hifanarahana (fara-fahakeliny 30 minitra) dia tokony hihaona indray ny gropy rehetra ary hitondra ireo lisitra sy karazan-javatra ananany. Tokony ho eo mandrakariva ilay mianatra momba ny natiora mba hanamarina ireo zavatra tsy fantatra loatra sy hisintona lesona avy amin’ireny zavatra hita ireny.

Azon’ny gropy atao koa ny mifanakalo ny lisitra sy ny toerana voafaritra, mijery ny toerana voatondron’ny gropy hafa amin’ny fanarahana ny torolalana nomena ary manamarina ny lisitra raha ao tokoa ireo zavatra voalaza ao anaty lisitra.

ISA MIAFINA

Ity no anisan’ny lalao momba ny natiora mahafinaritra indrindra. Manamboatra fitsapana mialoha izay ahitana fiatoana maromaro araka izay vita ilay mpitarika momba ny natiora. Zavatra tsotra aloha no tokony ho ampiasaina ho an’ireo vao manomboka mba hahamora ny fanarahany ny lalao. Misy isa miafina na tsiambaratelo omena isaky ny fiatoana. Any amin’ny faran’ny lalao dia manome ny tontalin’ireo isa miafina ilay mpitarika momba ny natiora. Ireo izay nahamarina isaky ny fiatoana dia tokony hahazo ny isa mitovy amin’izany. Tsara raha iverenana isaina miaraka amin’ny gropy ireo fiatoana maro samihafa ary mety ho azo atao ny maka fotoana hampianarana azy ireo mikasika ny sasantsasany amin’ireo zavatra izay hitany teny an-dalana. Indreto misy torolalana vitsivitsy aroso:

Manomboka eto ny lalanaIty hazo ity dia hazo kesika (pin). Ny isa miafina amin’izy ity dia ny isa amin’ny

ankapoben’ny ravin’ilay kesika isaky ny rantsana amin’ity hazo ity. Ny naoty manaraka dia ho hitanareo eny amin’ny fototry ny hazo lehibe indrindra izay hitanareo any amin’ny tendro atsimo.

137

Eo amin’ilay foto-kazo efa voatapaka ireny dia hahita soritra faribolana ianareo izay midika iray taona naniriana isaky ny faribolana. Raha toa ilay hazo ka efa nahatratra 50 no ho mihoatra ny naniriany vao notapahina dia isa miafina 20 no omena azy. Raha toa ka latsak’izany kosa ny taona naniriany tamin’ny fotoana nanapahana azy dia isa miafina 10 no atokana ho azy. Tohizo ny lalana ary tadiavo ny naoty manaraka eo amin’ny fantsona fanarian-drano eo ambany lalana.

Fanovaovana azo ataoTokony asiana mpampianatra efa za-draharaha mandeha mialoha ary manisy marika

ny lalana, manamarika ireo karazan-java-boahary hita eny amin’ny lalana. Isaky ny fiatoana dia tokony hisy fanontaniana mba hanomezana isa ho an’izay mahamarina. Ohatra: raha hazo kininina tsotra dia ampio isa fito; raha kininina fotsy dia ampio isa efatra. Ohatra iray: raha ankanin’ny fody dia analao isa efatra fa raha ankanin’ny voromahery dia analao isa roa. Any amin’ny faran’ny lalana, ny fitambaran’ny asa marika rehetra mifototra amin’ny valiny marina dia ho isa miafina izay ananan’ny mpampianatra.

FITSANGANTSANGANANA MIENDRIKA FARIBOLANA MIARAKA AMIN’NY ISA MIAFINA

1. Afaka manao lalana araka ny habetsahany izay tianao ianao izay atomboka eo amin’ny fiaingana itovizana ka amin’izay ny mpitarika dia afaka manome torolalana ho an’ny tarika tsirairay alohan’ny hanombohany handeha lalana vaovao. Afaka mifandimbindimby mandeha amin’ny lalana tsirairay ny gropy.

2. Farito ary asio marika ny lalana haleha ka asiana fifaninanana kely mikasika ny zavaboahary izay omanina mialohan’ny hanaovana ny fitsangantsanganana.

3. Amin’ny famaritana ho faribolana ny lalana haleha dia asio zavatra manokana hanamarihana eny anelanelan’ny lalana eny izay afaka ho tonga ho fitarihana mba hahatraran’ny gropy ny lalana tianao halehany.

4. Eo amin’ilay karatra “fitarihana” dia asio fanoroana lalana fohy sady mazava ho amin’ilay karatra “fitarihana” manaraka.

5. Rehefa tonga eo amin’ilay marika misy ny “fifaninanana momba ny natiora” ary mahita ilay karatra ny gropy dia izay no mamaly ny tomban’isan’ilay fanontaniana. Ilay notendrena ho mpitantsoratra dia tokony handray an-tsoratra ireo fanontaniana misy tomban’isa. Anankiray hafa notendrena ho mpitarika ny gropy no mamaky ny torolanana izay voasoratra ery ambany amin’ny karatra manoro ny fomba hahazoana ilay karatra misy fanontaniana fifaninanana momba ny natiora manaraka indray, dia mitohy hatrany tahaka izay ihany mandrapaha-azo ilay karatra farany, novaliana ary manaraka indray ireo torolalana miverina mankany amin’ilay niaingana.

6. Ohatra aseho amin’ireo karatra manoro lalana

Lalana A Fiaingana350º Avaratra Atsinanana 20 mandingana124º Atsimo Atsinanana 15 mandingana90º Atsinanan’ny Atsimo Atsinanana (Est Sud Est) 3 mandingana

138

Lalana A #1Raha kininina ilay hazo dia manome isa 6 ho anao ianaoRaha kesika ilay izy dia isa 4335º Avaratry ny Avaratra Andrefana (Nord Nord Ouest) 46 mandingana5º Avaratry ny Avaratra Atsinanana (Nord Nord Est) 12 mandingana

Lalana A #2Raha sifotra kely no ao anatin’ity tavoahangy ity dia isa 3Raha sifotra lehibe kosa no ao dia isa 4168º Atsimon’ny Atsimo Atsinanana (Sud Sud Est) 80 mandingana230º Atsimo Andrefana 11 mandingana270º Andrefana 5 mandingana

Lalana A #3Raha mamony indray mandeha isan-taona fotsiny ity zavamaniry ity dia isa 8Raha mamony matetika kosa dia isa 4Miverena any amin’ny toerana niaingana mba hahazo fanampim-panazavana

bebe kokoa.

Voatsikaritrareo fa ny fizarana voalohany amin’ilay karatra dia fanadinana kely momba ny zavaboahary raha ny fizarana farany kosa dia manome ny torolalana ho amin’ny fiatoana amin’ny dingana manaraka. Azonareo atao ny manao izay fiatoana faran’izay betsaka tianareo eny amin’ny lalana miaraka amin’ny fanontaniana kely ho fanadinana. Ataovy azo antoka anefa fa ny karatra farany atolotra ny gropy eny an-dalana dia karatra izay manome azy ireo ny torolalana hiverenana any amin’ny toerana niaingana.

ANKAMANTATRA AVY AMIN’NY NATIORA

INONA ARY IZANY:

1. Ny tenany any an’ala, ny nifiny anefa eny an-tampon-tanety? Nifinakanga 2. Esory ny vatam-paty, alao ny lambamena, hano aho hahazoanao hery? Voanjo3. Tsy mpanarivo, tsy mpanalinalina kanefa mitafy lamba zato? Katsaka4. Ampinga zato, lefona arivo, nefa tsy maharo vady aman-janaka? Voasary5. Loharano an-tendron-kazo? Voasary6. Hano aho hihinanako anao? Sakay7. Be ny tsihy, maro ny tambalana, nefa mandry amin’ny tany ny kilonga? Voatavo8. Izy efa-dahy mpilanja, rataloha mpierinerina, izy roa lahy mpiady lefona, ilay kely mpiaro

lalitra ? Omby : tongony efatra, trafony, tandrony, rambony9. Maty isan’andro kanefa tsy miova toetra? Masoandro10. Kely mahay mandrary sy mahay zavatra: izy tsy miala eo am-baravarany kanefa mahay

misambotra ny manidina? Hala11. Kely halan’olona ka izay mahita azy misambotra avokoa? Parasy12. Kely sompatsompatra; izay madio sendra azy lotoiny avokoa? Lalitra13. Malaza ho mpandrefy, nefa metatra tsy entina; tanana tsy ananana? Fandrefiala (bibilava

kely marotsaka)14. Mianjera tsy folapolaka, miatonta tsy mongomongo, kapaina tsy hita fery? Rano15. Alevim-belona vao miova bika ho soa, ary mahazo sila-damba hoenti-manidina?

Bibitsaonjo16. Kely be ranomaso kanefa dia mihira lalandava? Jorery17. Kely voaendrikendrika? Fangalabola18. Kely malailay? Fanday

139

19. Lehibe midonana-poana? Vatolampy20. Kely mahay manenona kanefa intelo miova samy hafa vao mahavanona ahy? Landy:

samoina, bibikely, soherina21. Sakafo dia zary zanaka? Tantely22. Ny lambany maina no akako azy? Katsaka23. Edrey ry ilay ratsy! Anaran’aretin-doza iny ka alaina ho anarana? Manavy na hoe fanihy 24. Tsy mahasaraka ahy isan’antoandro, nefa tsy hitako izay alehany isan’alina ? Masoandro 25. Raha be loatra izy mamohehatra, nefa raha kely loatra, indry mampimenomenona. Mitovy

anarana amin’ny biby madinika anankiray izy? Orana 26. Sambatra mihitsy aho fa ny tsy haiko avy no andokafan’ny olona ahy? Fandiorano27. Mbola eny am-paniriana aho ka voafofo ho notangosana sahady? Voatango28. Hita ny fotony, hita ny tahony; izay raviny amam-boany tsy mbola nisy hita? Volo29. Tanora tsy afa-nihetsika, ka antitra vao tia sangy sy sokin’ny dia? Tsipolotra30. Antitra vao miala am-babena? Katsaka31. Tsy rangahy ka lava somotra? Osy32. Ikimpiana vao hita? Aizina33. Aleveno ny lohany haka ny tenany? Loha fary34. An-tanety, tongotra. Anaty rano, fivoy? Tongo-borona mahay rano

Maro ireo ankamantatra azo atao amin’ny tanora saingy anjarantsika ny mitady izay mifanaraka amin’ny taonan’ny tarika entintsika.

140

MANAO TSONGO-DIA

Ankizy iray avy ao amin’ny gropy no mandeha irery tsy misy mpanaraka, tsy manao ezaka mba hitsingintsingina na hitandrintandrina fa mandeha fotsiny. Mandeha mandritra ny 15 minitra izy, rehefa izany dia mipetraka izy ka miandry mba ho hitan’ny hafa. Rehefa tapitra ny 15 minitra niaingan’ilay ankizy iray dia mandeha manainga amin’izay ny sisa tamin’ilay gropy ka miezaka mitsongo-dia ilay mambra “very” teo amin’ny alalan’ny dian-tongotra, rantsana tapaka, ravinkazo rovitra, na marika hafa famantarana. Izay olona voalohany mahita ilay “very” no mamaritra ny lalana haleha manaraka indray.

FIHAZANA HARENA SAROBIDY

Fitsangantsanganana am-balopyOmena valopy miaraka amin’ny lisitry ny zavatra 20 hoentiny miverina ny Mpisavalalana eo am-piandohan’ny fitsangantsanganana. Raha misy dimy ireo mpitsangantsangana dia tokony hanana lisitra tsirairay izy ireo, lisitra izay samihafa araka izay azo atao ny ao anatiny. Raha toa kosa ka maro ny gropy dia afaka miara-miasa amin’ny lisitra iray ny ankizy maromaro. Indreto misy sosokevitra vitsivitsy :

voan-javamaniry izay miankina amin’ny rivotra ny famafazana azy zozoro na harefo karazam-bozaka telo zavamaniry izay hita fa afaka nanaraka ny toetr’andro fandrotrarana ampanga vato mineraly na karazam-bato karangana karazan-kodin-kazo sns

Fihazana harena eo anivon’ny zavaboaharyIty lalao ity dia sady mahaliana no ahalalana zava-baovao. Lisitra misy anarana

karazan-dravin-kazo, bibikely na zavaboahary hafa eo anivon’ny natiora no aseho ny tsirairay na ny gropy kely raha toa ka maro ny ao anatin’ny klioba. Mandeha mivoaka any an-tsaha ary mitady ireo zavatra natao lisitra ny mpandray anjara rehetra. Mety misy zavatra angonina, ny sasany natao hohenoina ary ny hafa kosa natao hodinihina. Miasa tsara eto ny fanomezana isa, isa ambonimbony ho an’ny zavatra sarotra hita. Mety handany eo amin’ny roa ora ka hatramin’ny efatra ora ity lalao ity. Ohatra iray amin’ny lisitra omena :

Ireo natao angoninaTrondro voankazo an’ala azo hohanina fandrotraranaHodin-kazo (ala) voninkazo dia tranokalaSolila na aneta Hodina bibilava niofo angely (biby)Ampanga Tranom-panenitra (taratasy na fotaka) voangoryHolatra zavamaniry noharina tao amin’ny Baiboly

Ireo natao hozahana na hodinihinaLava-biby dian-tongotry ny vorona bitroKangoroa karazana rahona roa tarondroTantely (biby) dian-tongotra biby bibidia irayAnkanim-borona angidina voromahery

141

Fihazana harena eo anivon’ny zavaboaharyAsio marika ny eo amin’ny lisitra rehefa hitanao

Mariho ny anarana zavamaniry iray natao fanoharana tao amin’ny Baiboly. Soraty ny anarany: __________________

Mitadiava lomotra na volon-kazo iray. Omeo ny lokony, ny toerana nahitanao azy ary ny bikany: ____________________________________________________________

Mitadiava hazo misy rirany ny tahony ary omeo ny anarany raha azonao atao: _____________________________________________________________________

Raha misy rahona eny amin’ny lanitra dia fantaro izy ireo na omeo ny anarana iantsoana azy ireo: _____________________________________________________

Mamantatra vorona dimy:1. ________________________________2. ________________________________3. ________________________________4. ________________________________5. ________________________________

Omeo ny anaran’ny voninkazo dia iray hitanareo : ____________________________ Mariho ny anarana voninkazo dia iray misy fofona manitra na mamerovero

____________ Mitadiava voan-javamaniry iray misy faraingo na volombolony ary lazao ny anarany:

______________________________ Lazao ny toerana ahitana ampanga. Lazao ny tena anarany raha azonao atao:

_________ Milazà lolo 3. Omeo ny lokon’izy ireo sy ny anaran’izy ireo

___________________________________________________________________________________________________

Mariho ny ravina iray izay samy malamalama ny ambadika roa amin’ny felany. Omeo ny anaran’ilay hazo: ______________________________

Mitadiava tranokala izay ahitana bibikely voafandrika ao anatiny. Lazao ny toerana ahitana lomotra. Amin’ny lafiny aiza amin’ilay zavatra no misy azy?

____________________________ Diniho ny voangory. Omeo ny lokony sy ny toetoetrany. ______________________ Mitadiava vato koaritsa. Omeo ny lokony _______________________________ Diniho ny bibikely maro rantsana (milles pattes) Jereo ny toerana misy ankanim-borona. Karazam-borona inona no ao?

_______________ Mandiniha bitro iray. Mitadiava volomborona iray. Karazam-borona inona no manana an’io?

______________ Lazao ny vorona maneho an’i Amerika: ____________________________________ Mijanona ary mihainoa. Mamantara feom-borona roa __________________________ Mandiniha sifotra iray na karazana sifotra mandeha eny amin’ny tany. Mandiniha bibikely any anaty rano. Lazao ny anaran’izy ireo raha fantatrao. _______ Mandiniha sahona na soabakaka iray. Tadiavo ny toerana iray misy ankanim-borona eny amin’ny tany. Mandiniha biby dia iray na diam-borona. Lazao ny voninkazo maneho an’i Amerika. __________________________________ Diniho ny lanitra. Misy zavatra mihevaheva ve eny? Lazao ny anarany. ___________ Lazao ny anaran’ny biby mampinono izay afaka manidina toy ny vorona.

______________

142

Moa maty ve ny tantely rehefa avy nanindrona?_______________________________ Mandiniha biby mikiky rehefa mihinan-kanina toy ny voalavo (“rongeur”). Mandiniha renitantely iray na tantely mpiasa. Diniho ny vitsika eo am-piasana. Lazao ny lesona iray azonao tsoahina avy amin’izy

ireo. ________________________________________________________________ Mandiniha trondro iray na pirina. Mandiniha bibilava iray. Raha toa ka misy karazany roa ny hazo eo amin’ny toerana misy anao (“parc”) dia

valio “eny”, raha tsy izany kosa dia valio “tsia”. ______________________________ Milazà anarana vondron-kintana iray izay afaka hita foana eny amin’ny lanitra raha

tsy misy ny rahona. Lazao ny anaran’ny biby mampinono lehibe indrindra. Lazao ny anaran’ny biby mampinono kely indrindra. Mandiniha zavaboahary iray eo amin’ny natiora ka omeo ny lesona ara-panahy azo

ianarana avy aminy. Zavatra: _________________________Lesona : ___________________________________________________________________

Hazo asiana etiketyEfatra ka hatramin’ny roapolo no afaka milalao. Maka olona iray atokana ary io no

antsoina hoe “ilay izy”. Misy hazo sasany izay atao hoe “tsy mampidi-doza” ka ny mpandray anjara rehetra izay mahakasika azy io dia tsy asiana etikety. Mba hahatonga ny lalao hahaliana bebe kokoa dia azon’ny mpitarika atao tsindraindray eny ny manova ilay hazo atao hoe “tsy mampidi-doza”. Amin’izay fomba izay dia afaka hianatra hamantatra ireo hazo mailamailaka kokoa ny tanora.

Iza ary aho?Ankizy folo na mihoatra no afaka mandray anjara amin’ity lalao ity. Paingory ao an-

damosin’ny mpilalao ny sary biby na zavamaniry iray, marihina anefa fa tsy fantatr’ilay mpilalao ny sary ao an-damosiny. Amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana amin’ny olon-kafa no ahafahan’ny mpilalao mahafantatra azy ireo. Azo atao ny manao io lalao io ho amin’ny olona tsiroaroa ka samy manana ny antsasaky ny sary voampaingotra ao amin’ny lamosiny avy ny tsirairay. Amin’izay manko ilay mpilalao dia tsy vitan’ny hoe mahalala fotsiny hoe iza izy fa mahalala ihany koa ny an’ilay namany.

FIFANINANANAFanakambananaFantaro ilay olona na toe-javatra mifandraika amin’ireto manaraka ireto :

1. Satroboninahitra tsilo (Mat.27:29)2. Mpihanika rantsan-kazo (Mat.26:74)3. Kirihitra kely tsy nirehitra (Eks.3:2)4. Alika iray nilelaka rà teo amin’ny lalana (1 Mpanj.21:19)5. Valala sy tantely an’ala (Mat.3:4)6. Goaika sy domohina (Gen.8:6-10)7. Fanilo anelanelan’ny rambo roa (Mpit.15:4,5)8. Volonondry lenan’ny ranon’ando (Mpit.6:37)9. Biby nivoaka avy tamin’ny ranomasina (Apok.13:1)10. Boriky mifatotra (Mat.21:2)11. Renitantely sy tantely ao amin’ny liona maty (Mpit.14:8)12. Fositra (Jona 4:7)

143

Fihazana harena ao anaty BaibolyAmin’ny fotoana hanaovana fihazana harena ao amin’ny natiora ka atao an-trano saatria

avy orana dia indro misy fandaharana izay mety harahina. Ataovy lisitra ny anaran’ny hazo hita ao amin’ny Baiboly. Na afaka manao fikarohana mialoha ny mpitarika ka manao lisitra amin’ny taratasy vita printy “Ireo Zavamaniry hita ao amin’ny Baiboly”. Tsy apetaka eo amin’ny lisitra ny ahitana ny toko sy andininy fa anjaran’ny Mpisavalalana no mampiasa konkordansa na ilay boky fizahan-teny ho an’ny Baiboly mba hahitany ireo teny mifandraika amin’ny banga eo amin’ny fehezanteny.

1. “Diovy ______________ aho ho afa-pahotana, dia hadio ; Sasao aho, dia ho fotsy mangatsakatsaka” (Sal.51:7)

2. Nafenin’ny renin’i Mosesy tao _____________________ izy mba hamonjeny ny ainy. (Eks.2:3)

3. Nihanika teo ambony _______________ Zakaiosy mba hahita an’i Jesosy (Lio.19:4)4. “ Diniho tsara ny fanirin’ny ___________________ any an-tsaha ; tsy mba miasa na

mamoly ireny” (Mat.6:28)5. Nalevina teo ambanin’ny hazo ___________ Debora (Gen.35:8)6. Naniry hihinana __________________ tany an-tany lavitra ilay zanaka adala (Lio.15:16)7. Nanoty salohim-_________ tamin’ny andro Sabata ny mpianatra (Mat.12:1)8. Nilaza ny Tompo fa ny finoana tahaka ny voan-______________ dia mahavita

fahagagana. (Lio.17:6)9. Nozonin’i Jesosy ny hazo _______________ iray satria tsy nanome voa. (Mat.21:19)10. ___________ iray no nialokalofan’i Jona tany Ninive (Jona 4:6)11. Satroboninahitra _________ no napetraka teo ambonin’ny lohan’i Jesosy talohan’ny

nanombohana Azy tamin’ny hazo fijaliana (Mar.15:17)12. “Izaho no _________________, ary ianareo no __________________” (Jao.15:15)13. Nametraka _______________ teny amin’ny lalan’i Jesosy ny ankabiazan’ny olona rehefa

nankany Jerosalema Izy (Mat.21:8 ; Jao.12:13)14. Sampahom-boaloboka, aviavy ary __________________ no nentin’ireo mpisafo tany

niverina avy tany amin’ny tany Kanana. (Nom.13:23)15. “Izaho dia ________________ eny an-tanety ihany sy ____________ eny an-dohasaha.

(Tononkira 2:1)

Ireo anaran’i Jesosy1. “Izaho dia ____________ eny _____________ sy ____________ eny an-dohasaha

(Tononkira 2:1)2. “Nony ampitso dia nahita an’i Jesosy avy manatona azy Jaona, ka dia hoy izy : Indro ny

____________________, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao” (Jao.1:29)3. “Ary ny anankiray tamin’ny loholona nanao tamiko hoe : Aza mitomany ; indro, ny

___________ avy amin’ny firenen’i Joda, dia ny __________________, no efa naharesy ka hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny fito. (Apok.5:5)

4. “Izaho no _____________, ary ianareo no sampany” (Jao.15:5)5. “Ary hisy _________ mitsimoka eo amin’ny fototr’i Jese, ary hisy ______________ avy

eo amin’ny fakany” (Isaia 11:1)6. “Ary amin’izany andro izany ny ______________ Jese, Izay hitsangana ho fanevan’ny

firenena” (Isaia 11:10)7. “Izaho no ____________ sy taranak’i Davida” (Apok.22:16)8. “Izaho no _______________ mamirapiratra ________ ____________” (Apok.22:16)9. “Fa ______________ sy Ampinga Jehovah Andriamanitra” (Salamo 84:11)

144

Ireo biby voalaza ao amin’ny BaibolyAmin’ireto teny nalaina avy tao amin’ny Baiboly ireto dia tsy napetaka ny anaran’ireo

biby. Azonao atao ve ny manome ny anarana marina? Omena isa 5 isaky ny valiny marina. Raha 75 ny totalin’isa dia tsara fa raha 90 na mihoatra dia tena tsara.

1. “Aleo mifanena amin’ny ________ very anaka toy izay amin’ny adala feno hadalana” (Oha.17:12)

2. “Fa ny amboa velona no tsara noho ny ______________ maty” (MpitT.9:4)3. “Mitandrema hianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka, izay mankao

aminareo amin’ny fitafian’ny ondry, fa ao anatiny dia ______ mitoha izy” (Mat.7:15)4. “Ny ___________ manan-davaka ; ary ny voro-manidina manana fialofana” (Mat.8:20)5. “Ka tonga tany Jerosalema izy mbamin’ny mpanaraka maro be sy ny ___________ izy

nitondra zava-manitra sy volamena sesehena ary vato soa” (1 Mpanj.10:2)6. “Ary Asahela dia haingan-tongotra tahaka ny ____________ any an-efitra” (2 Sam.2:18)7. “Ary indray mandeha amin’ny telo taona no nihavian’ny sambon’i Tarsisy nitondra

volamena sy volafotsy sy ivory sy ________________ ary vorombola” (1 Mpanj.10:22)8. “Ny tendrombohitra avo dia ho an’ny _______-dia” (Sal.104:18)9. “Ny biby _________ dia firenena tsy manan-kery, nefa manao ny tranony ao amin’ny

harambato izy” (Oha.30:26)10. “Ary ny __________ hiara-mitoetra amin’ny zanak’ondry” (Isa.11:6)11. “Ny zaza minono hilalao amin’ny lavaky ny ___________” (Isa.11:8)12. “Dia namory kitay hazo iray trotroana Paoly ka nanohoka izany teo amin’ny afo ; ary nisy

________________ nivoaka avy tamin’ny afo ka niraikitra tamin’ny tanany” (Asa 28:3)13. “Ny vary hordea koa sy ny mololo ho an’ny soavaly sy ny ________________ dia nentiny

ho ao amin’ny fitoerana izay tokony hitondrana azy , dia samy araka ny anjarany avy” (1 Mpanj.5:8)

14. “Ary ny _________ dia ao amin’ny kypreso no anaovany ny tranony” (Sal.104:17)15. “Ny ____________ miantoratoraka hanao ny lavany any ka hanatody sy hifana ary

hikotrika ao amin’ny alokaloka any” (Isa.34:15)16. “Any koa no hiangonan’ny ______________, samy eo amin’ny namany avy” (Isa.34:15)17. “Tahaka ny ________ any an-efitra aho” (Sal.102:6)18. “Mikopakopaka noho ny hafaliana ny elatry ny ________” (Joba 39:13)19. “Fa amin’ny farany dia hanaikitra toy ny bibilava izy, ary hanindrona toy ny

_______________” (Oha.23:32)20. “Ary ny __________ nitondra mofo sy hena ho azy isa-maraina ary mofo sy hena isan-

kariva, ary ny rano tamin’ny renirano no nisotroany” (1 Mpanj.17:6)

Ireo fiantsoana voronaTena zavatra mahavariana tokoa ireo fiantsoana vorona – ary dia tena mety tokoa

izany ! Ny Mpisavalalana tsirairay dia samy afaka manamboatra ho azy manokana. Mila tapaka hazo mafy eo amin’ny 5 santimetatra eo ho eo ny halavany ary 2 santimetatra sy sasany eo ny sakany. Mila maritoa ary mividiana visy. Asio lavaka eny amin’ny lafiny iray amin’ilay hazo, somary kelikely kokoa noho ilay lohan’ilay visy. Atsofoy ao amin’io lavaka io ilay visy ary ahodino, tsoahy avy eo ary asio ilay dity azo avy amin’ny hazo kesika ireny (résine) ao anatin’ilay lavaka.

Rehefa ahodina mandroso sy miverina ilay visy dia manome feo izay mahasarika ny vorona. (Tsy manatona eo amin’ilay tompony akory ireo vorona fa eo akaikikaikin’ilay tompony ihany, indrindra rehefa lohataona sy lohandohan’ny fahavaratra iny, amin’izy ireo manabe ny zanany).

145

Maka modely ireo diam-bibyFomba tsara iray mahaliana ireo Mpisavlalana amin’ny biby mampinono ny mitondra

azy ireo miaraka aminy amin’ny fitsangantsanganana mba hakàny modely ny endriky ny dian-tongony. Rehefa mahita diany mazava tsara dia raradraraho vovoka fotsy (“talc”) mba hiarovana amin’ny loto mety hiraikitra amin’ny lalotra misy fasika sy sokay “platre”. Asio baoritra nodidiana manodidina ilay “dia” mba hahazoana lasitra. Manamboara ranoka avy amin’ilay “platre” ary araraho ao anatin’ilay lasitra. Avelao hitoetra ora maromaro ilay “platre” mba ho mafy tsara. Rehefa esorina ao anatin’ilay lasitra ny “platre” dia hahazo ny dian-tongotr’ilay biby ara-dalana tsara ilay Mpisavalalana. Azo hanombohana ho amin’ny famoronana klioba ho an’ny trano firatena (musée) ihany koa io fomba io.

Fanaovana vazy tany/tanimangaMbola maro amin’ireo Mpisavalalana no tia milalao fotaka. Amporisiho izy ireo

hanangona ny vovoka tanimanga eny amin’ny morondrano eny ary hanamboatra izany ho toy ny feta tany maneho lovia na vazy na biby. Amin’ny fampiasana rantsan-kazo na tapa-kazo kely dia afaka mahavita “asa tsara” (chef d’œuvre) izy ireo.

Manao sary/ porofon-tsary na dian-dravin-kazoManafisaha ampahana tanimanga na “platre” amin’ny hazo boribory fanafisahana ireny. Apetaho eo ambonin’io ny ravinkazo ka ny lafiny misy ireo rirarirany sy soritsoritra no apetaka amin’ilay tanimanga. Tsindrio amin’ilay hazo fanafisahana eo ambonin’ilay tanimanga ilay ravina ary alao moramora izy avy eo. Azo didiana araka izay endrika tiana ilay tanimanga avy eo. Asiana taratasy ahafahana manantona azy avy ao an-damosina ilay tanimanga ary dia hihantona toy ireny peta-drindrina ireny ilay ravina.

Azo atao koa ny manao diana ravinkazo amin’ny fametrahana ilay ravina eo amin’ny taratasy fanaovana zavakanto ireny. Borosy nify iray, makarakara vy kely iray ary ranomainty dia afaka mahavita zavatra mahaliana sy tsara tarehy. Atsoboy ao anaty ranomainty ilay borosy nify ary kosikoseho eo amin’ilay makarakara vy kely izay hazoninao eo ambonin’ny ilay taratasy misy ravinkazo eo napetraka eo amboniny. Dia indro fa miparitadritaka eo ambonin’ilay ravinkazo sy ilay taratasy ny ranomainty; ary rehefa esorinao eo ambonin’ilay taratasy ilay ravinkazo dia indro fa ny sarin’ilay ravina no tavela eo amin’ilay taratasy.

Sarin’ny holatraRehefa manao fitsangantsanganana any amin’ny toerana mandomando anaty ala

ianareo dia manangona holatra efa matoy. Arakaraky ny lokon’ilay holatra dia tapaho ny tahony ary apetraho ilay holatra ka ny ambany misy ilay misandrahandrahaka iny no atao mifanohoka amin’ny taratasy fotsy na taratasy mainty. Asio boaty kely mavesabesatra mandritra ny 10 ka hatramin'ny 20 minitra eo ambonin’ilay holatra. Dia halatsak’ilay holatra eo ambony taratasy mandritra izay fotoana izay ireo vovombony ao anatiny ao. Alao moramora ilay boaty natao teo ambony, esory eo ambony taratasy ilay holatra ary jereo amin’izay ny faritra napetrak’ilay vovombony. Afaka tehirizina hijanona ela eo izany raha toa ka tifirina amin’ireny fandokoana mitaratra izay mihazona maharitra ireny (peinture transparente sous forme de laque).

Fametrahana sary, “presse-papier” na fametrahana anaranaAvy amin’ny rantsan-kazo lehibe iray dia makà 7 santimetatra sy sasany eo, tsofay

manapaka tsara ilay hazo na atao misorirana tsara ka eo amin’ny 1 santimetatra eo ny hateviny. Asio fasika ilay faritra voatsofa teo ary asio loko mangarahara mamirapiratra “vernis” mba hampivoaka tsara ny endrik’ireo vaingana fasika. Eo ambonin’iny voatsofa iny ihany dia afaka mametaka sary amin’ny lakaoly ilay Mpisavalalana.

146

Azo atao ihany koa raha alohan’ny hanasiana ilay loko mangarahara mamirapiratra (“vernis”) dia dorana ilay anarana na ilay endrika tiana atao mba hipetaka amin’ny hazo. Azo ahantona na apetraka mandry ilay izy avy eo.

Fametapetahana atao eo ambony “platre”Manamboara boaty lalin’aty mirefy 2 santimetatra sy sasany. Araraho ao ny “platre”

efa namboarina ary tsindrio moramora amim-pitandremana tsara eo amboniny ny akorandriaka, vato, vato mineraly na karazan-javatra hafa izay tianao apetaka eo. Raha toa ka mitovy tsara daholo ny haben’ireo “platre” natao dia hanaitra bebe kokoa sy ho mora tehirizina ary ho mora ny famelarana ireo zavatra voaangona (“collection”) ireo rehefa hanaovana fampisehoana (Exposition).

Tetik’asa sy asa tananaMaro amin’ireo tanora zandriny no matahotra bibilava, hala na zavatra hafa izay

mahaliana ny fiainany. Zava-dehibe ny maneho amin’ny tanora zavatra mbola tena izy ary dia hanana fahazarana hifanerasera amin’izany izy ka hanaiky izany ho toy ny mahafinaritra sy lalao. Ireo fihetsehana izay ahafahan’ny Mpisavalalana manamboatra zavatra amin’ny alalan’ny fampiasana ny tanany dia tena fomba tsara mihitsy matetika mba hanalana ny tahotra ka hanairana ny fahalianana eo amin’ny natiora.

Rehefa manao fitsangantsanganana ka mandeha mamaky ala, na mandeha dia an-tongotra lava, na mandeha eny an-tany efitra, ilay mpitarika ny fitsangantsanganana eo anivon’ny natiora izay malina tokoa dia manamarika ireo zavatra izay hita fa hihazona ny fisaintsainan’ny gropin’ny Mpisavalalana iray. Ny fijerena ireo tapatapa-kodikazo latsaka eo am-pototry ny hazo dia mety hanampy ireo vao manomboka mandinika ny zavaboahary hanokatra tontolo vaovao. Rantsan-kazo maina, hoditr’ireny voan-javatra ireny (tsaramaso na ny toy izany) na sampan-kazo misy ireo ravina maina dia mety hanome endrika mahafinaritra raha alahatra eo ambony latabatra, ary noho izany ny Mpisavalalana dia hahita sy hahatakatra fa ny natiora dia feno zavatra mahaliana sy hatsarana. Izany no hanokatra fomba fijery vaovao ho azy ireo ho an’ny fitsimohan’ny fisaintsainany. (Tsara raha manana fitaovana hanaovana fampisehoana ny mpampianatra)

Ny asa tanana mampiasa ireo natiora dia tena fotoana volamena tokoa ho an’ireo mpitarika lehibe mba hampiasa ny fahaiza-mamorona ao anatiny ary mba ahafahany mamporisika ny Mpisavalalana haneho sy hilaza izay eritreretiny sy tsapany raha eo am-pampiasana ireo natiora izy.

Fanaovana sary eo amin’ny fasikaRehefa mandehandeha manaraka moron-drano na eny amoron-dranomasina dia toroy

hevitra ny tanora zandriny fa afaka ny manao sary hosodoko amin’ny fasika izy ireo. Mety haka tapa-kazo kely iray fotsiny izy dia hanao sary tsotra eo amin’ny fasika. Ny sasany kosa dia mety hanao sary somary sarotsarotra sy tsaratsara kokoa amin’ny fampiasana ireo vatokelin’ny fasika samihafa loko. Azo atao koa ny mitondra sombina “papier vert” eny amin’ny fitsangantsanganana. Ireo karazana vatokely miloko maro samihafa eny amin’ny fasika dia hanampy amin’ny fahalianana amin’ilay asa.

Fakana sary tranonkalaEnto manao fitsangantsanganana vao maraina ireo Mpisavalalana. Mitondrà lafarinina

fotsy miaraka aminareo ary taratasy mainty vitsivitsy. Raha mbola lenan’ny ranon’ando iny ilay tranonkala dia raraho lafarinina fotsy eo amboniny. Apetraho eo ambanin’ilay tranonkala amin’izay ilay taratasy mainty ary alao ilay tranonkala. Afaka mijanona ela eo foana iny sary nalaina iny raha toa ka asiana loko mangarangarana mampiraikitra tsy mihetsika (peinture transparente sous forme de laque) ilay tranonkala sy ilay taratasy

147

FANANGONANA NA FITEHIRIZANA ARY FAMPISEHOANATRANO FITEHIRIZANA NY RAKITRY NY ELA MOMBA NY NATIORA

Ny ankamaroan’ny tanora zandriny dia manana fitiavana voajanahary tia hanangona zavatra. Ny fananana trano fitehirizana rakitry ny ela (musée) dia ho tonga fitaovana iray hampahaliana ny Mpisavalalana amin’ireo lohahevitra maro samihafa momba ny natiora amin’ny fampiasana ireo santionan-javatra ao amin’ny trano fitehirizana ny rakitry ny ela. Io trano io koa ho an’ny olon-kafa dia ho tonga toerana iray hahitany ireo zavatra ianaran’ny tanora momba ny natiora.

Miankina amin’ny fampisehoana mahaliana ireo zavatra nangonina izay voakarakara tsara amin’ny tokony ho izy no ilazana fa tsara ilay trano fitehirizana ny rakitry ny ela. Izany trano izany koa dia afak hitantara amin’ny fomba mahavariana ny tantaran’ny voninkazo, ny hazo, ny biby madinika, ny vorona, ny biby mampinono ary saiky ny momba ny fiainana hafa mihitsy aza. Ny tetik’asan’ny klioba izay hanangona santionan-javatra maro samihafa dia mitaky fananana tantara feno sy azo antoka izay hovelabelarina ao amin’ilay trano fitehirizana ary izany koa dia manampy amin’ny fahalianana ho amin’ny fitsangantsanganana eny an-tsaha. Amin’ny alalan’ny fampivelarana io hevitra mikasika ny trano fitehirizana ny rakitry ny ela io, ny mpampianatra momba ny natiora dia mety mila mampiditra ao anatin’izany biby mbola velona sy zavamaniry ankoatry ny fanangonana hafa izay efa vita karakara tsara.

Ny haben’ilay trano fitehirizana sy ny faniriana ambony na ambom-pon’ilay mpampianatra momba ny natiora no mametra ny endriky ny fampisehoana atao izay ahitana ireto manaraka ireto.

1. SaryManantona tabilao lehibe iray izay azo ametrahana tantaran’ny zavaboahary, sary hoso-doko, sary nalaina na ireo sary nohetezana avy tamin’ny gazety sy ny toy izany. Manamboara sarintany amin’ny faritra manodidina momba ny natiora izay manondro ny toerana ahitana ireo hazo manan-danja, tranom-biby, ankanim-borona sy ny sisa. Ampitomboy ireo talenta mety ho hitanao ao amin’ireo tanora momba ny fanaovana sary na sary hosodoko.

2. Fanehoana biby mbola velonaRaha tsy efa misy ny fikarakarana ara-dalana izay vao azo atao izy ity ; toerana hiterhirizana trondro (aquarium) misy hidiran-drivotra tsara asiana ireo trondro zanatany, toerana ara-dalana asiana ireo zavamaniry anaty rano sy ireo biby kely any anatiny, trano sahaza ireo biby mampinono sy ny bibilava, toerana ahitana ireo tranontantely, votry (tendrombohitra kely misy ny tranom-bitsika), toerana fiompiana ireny bibikely na olitra hiofo ireny.

3. Fampisehoana ireo tsy miainaTranom-borona, ankanim-borona, ireo zavatra natsangana, ireo diam-biby nalaina ka natao amin’ny “platre”, ireo zavatra nokikisan’ny biby toy ny voalavo sy ny karazany, hodi-bibilava, bibilava nohamainina, akorandriaka, bibikely isan-karazany notehirizina, karazana holatra na lomotra isan-karazany nangonina, raraka vovom-boninkazo voatahiry, voninkazo nohamainina fisaka, sary ravinkazo vita amin’ny pitika loko na ny toy izany, santionana karazan-kazo, tapa-kazo sy voan-javatra isan-karazany nangonina, ampanga notsindriana fisaka ho maina, karazana ahi-drano nanognina, karazana lomotra sy volon-kazo.

148

4. Fitaovana hihainoana horonam-peo na kapila mangilatra (CD)Manàna horonam-peo na kapila mangilatra misy feom-borona sy feon’ny avoakan’ny sahona sy saobakaka.

5. Talatalana fitoeram-bokyToerana ahitana boky izay ahazoana maka hevitra sy fanamarinana ireo hita ary gazety momba ny zavaboahary.

6. Talatalana misy ireo zava-baovao tsy fantatraEo ambony talatalana kely iray dia asehoy eo ireo zavatra tsy fantatra ny momba azy, tsaratsara kokoa raha zavatra hita tamin’ny toerana nandehanan’ny klioba, na zavatra manokana izay nentina hisarihana ny fahalianan’ny tanora.

7 Sary hazavain’ny herin’aratraAmin’ny fomba tsotra indrindra, tabilao lehibe iray misy sary biby, vorona na zavamaniry maromaro izay tsy nasiana anarana. Mipoitra eo amin’ny takelaka kely manokana eny ambany na eo akaikin’ny sary ny anarana. Isaky ny sary tsirairay sy ny anarana tsirairay dia misy bokotra vita amin’ny metaly. Misy tapa-by kely roa vita amin’ny varahina mifatotra amin’ny tariby mitondra herin’aratra lava be. Rehefa hakasika ilay bokotra metaly eo ambanin’ny sary ilay tapa-by iray, ary ny iray kosa nakasika eo amin’ny anarana mifanitsy amin’ilay sary dia hisy jiro hirehitra na feon-javatra haneno.

Ilay takelaka misy ny sary dia azo atao amin’ny takelaka hazo manify (“contre-plaqué”), na amin’ny takelaka natao tamin’ny “platre” na koa baoritra matevina voaaro amin’ny hainandro sy ny sisa. Ilay bokotra varahina dia afaka atao amin’ny fehim-barika famatoran’entana ireny. Ao an-damosin’ilay takelaka misy ny sary, ireo lohan’ny fehim-barika dia ampifandraisina miaraka eo amin’ny sary sy ny anarana ary ny tariby mampaneno ny lakolosy. Ireo tariby mitondra herin’aratra izay miala avy eo amin’ireo tapa-by kely dia manenjika manakatra ny vaton’aratra lakolosy iray na vaton’aratra jiro ka izany no mampaneno ny feo na mampirehitra ny jiro.

TRANOM-BITSIKAAzo atao amin’ny boaty tsy dia lehibe loatra vita amin’ny hazo izay mirefy 30 x 35 x 7

sm, misy efitra kely roa mirefy 10 x 10 sm, eo afovoan’ny boaty ary eo amin’ny antsasaky ny santimetatra ny halaliny sady misy fisokafana any ivelany. Mila fitaratra roa ka ny iray manarona ilay boaty iray manontolo fa ny faharoa kosa manarona ilay efitra roa. Ilay fitaratra manarona ireo efitra roa dia apetaka amin’ny lakaoly. Ilay fitaratra manarona ilay boaty kosa dia tokony ho henjana tsara ary voatazona eo amin’ny toerany amin’ny alalan’ny “scotch” izay mety halàna rehefa ilaina izany. Manomana tapaka baoritra na “contre-plaqué” telo sosona izay mitovy habe amin’ireo efitra. Tokony hapetaka amin’ny savily hazo iray santimetatra izay mirefy eo amin’ny 30 sm eo ho eo ny halavany. Tokony ho tafiditra tsara ary mikorisa ao anatin’ny lavaka natao teo amin’ny lafin’ilay boaty ny savily. Amin’ny fampiasana io fitaovana io dia afaka apetraka eo ambonin’ireo efitra ilay baoritra raha tsy hoe te hijery sy handinika ireo vitsika angaha ianao dia amin’izay fotoana izay dia afaka alàna ilay savily kanefa tsy mila mamoha ny tranon’ny vitsika ianao. Ao anatin’ny aizina ihany no afaka miasa ara-dalana manao ny tranony ny vitsika. Na dia izany aza dia misy ny milaza fa ny fitaratra volomboasary na mena dia mitovy amin’ny maizina ihany ny avoakany.

Asiana fisokafana maromaro eny amin’ny lafin’ilay boaty ka saronana amin’ny makarakara avy amin’ny “carburateur” ireny mba hatao ho fidiran-drivotra. Asiana spaonjy (éponge) kely nopetahina tamin’ny fantsika kely be loha (punaise) eo amin’ny zoron’ny tranon’ny vitsika ary lemandemana foana mba hialana amin’ny fahamainana avy amin’ny rivotra.

149

Tokony hasiana sombin-kena kely, vatomamy na zavatra mamy, akondro na sakafo hafa ao anatin’ny boaty. Lavaka kely izay afaka asiana tsentsina no atao mba hosokafana hampidirana sakafo sy rano ao anatin’ny tranom-bitsika, amin’izay fomba izay dia tsy ho very ny vitsika raha manokatra ny rakotra.

Ireo izay hipetraka ao amin’ny trano dia tokony ho nangonina niaraka tamin’ny fako kely ary nafangaro kely tamin’izany teo ambony natao tany ivelan’ireo efitra. Ireo sarona, baoritra ary ireo fitaratra dia tokony ho indray miaraka apetaka. Ho hitan’ny vitsika ireo efitra kely maizina ary dia hoentiny hanaraka azy ireo vitsika mbola kely mba hiditra ao. Ireo vitsika mpanao trano, olitra kely, ireo olitra mbola ao anaty tranony, ny atody ary ilay mpanjakan’ny vitsika (raha azo atao), ireo rehetra ireo dia tokony hangonina ao daholo. Rehefa mahavita tsara ny tranony ireo vitsika dia tsara amin’izay raha esorina tao ireo fako.

TRANO FITARATRA FITOERAN-TRONDRO (AQUARIUM)

Ireo sahona, soabakaka ary ireo bibikely monina ao anaty rano dia mila fonenana mandomando matetika, toy ny kamory na heniheny. Ho tsara tehiry ireo biby ireo raha toa ka ataon anaty trano fitaratra fitoeran-trondro. Azo atao tsara ny manao fampisehoana amin’ny alalan’ny fampiasana io trano fitaratra io izay vidiana any amin’ireny tranombarotra mikarakara ny biby ireny na mividy fitaratra dia amboarina hifanentana tsara amin’izany. Tandremana tsara mba hiraikitra ny fingotra manambatra azy mba tsy hitete. Ny fampiasana hazo na vy hanaovana ny manodidina (cadre) sy “mastic” (ilay madity) hametahana ny fitaratra no tena mety indrindra. Tavoara be vava ihany koa dia azo ampiasaina ho “aquarium” tsara mihitsy. Mba hihazonana ny fahamandoan’ilay “aquarium” dia tsara ny mampiasa fitaratra atao eo ambonin’ny taroby eny amin’ny tampony hahazoana koa ny toe-javatra rehetra ilaina.

Tsiboboka, tsikovoka, tsindretra (ilay hiofo ho angidina), sy biby maro hafa koa dia afaka hanaovana fampisehoana mahaliana ao amin’ny trano firaketana ny rakitry ny ela. Tsy maintsy manana ny tranony namboarina ireo biby ireo. Afaka tanterahina izany amin’ny alalan’ny fakàna rano avy amin’ny kamory na dobo miaraka amin’ireo zavamaniry ao anaty rano sy ireo maniry manodidina ny kamory. Ireo zavamaniry ireo dia hanampy amin’ny fihazonana amin’ny ara-dalana ny tokony ho izy ao anatin’ilay “aquarium”.

IREO TRANOTRANO KELY

Ireo biby mampinono madinidinika toy ny hoe totozy sy voalavo dia azo tehirizina ao anaty trano vita amin’ny taroby. Mahaliana mandrakariva ny mandinika ny biby toa azy ireo. Tsy maintsy manao fikarakarana manokana anefa mba hiarovana tsara azy ireo, ary fitandremana hahazoana antoka fa tsy manao fampisehoana ireo biby arovan’ny fanjakana. Jereo ihany koa ilay boky mikasika ny fahaiza-manokana ho an’ny Mpisavalalana momba ny Biby Madinika Mampinono izay Ompiana raha mila fanazavana fanampiny (Small Mammal Pets Honor)

TRANOTRANO KELY NATOKANA HO AN’NY BIBIKELY

Ny tavoahangy tavoara be vava dia lehibe sady malama kanefa io no fitoerana sady azo antoka no tsotra indrindra. Manapaha lamba lay fiarovana amin’ny bibikely efajoro mirefy eo amin’ny 15 x 30 sm eo ho eo ary ahodino amin’ny zavatra lavalava sady boribory no poak’aty (cylindre).

Ataovy mitovy habe amin’ny sarona tavoahangy nisy voankazo nandrahoina tamin’ny siramamy (confiture) na dobera vita amin’ny voanjo fa iny no atao fanambaniny.

150

Somary zairo amin’ny tariby kely ny fanambarana ilay lamba lay kely ary sarony amin’ny sarona tavoahangy be vava (bocal) hafa iray. Ampiasao io mba hisamborana ireo bibikely na koa ny hitondrana azy ireo mandra-pahavitan’ny fianarana sy fahafahantarana azy ireo.

TOERANA NATOKANA HO AN’NY BIBIKELY (ZOO)Manamboara toerana hitehirizana ireo bibikely madinika amin’ny alalan’ny

fanangonana faran’izay betsaka amin’izy ireo ka atao ao anaty tavoara izay misy tany kely eo amin’ny fanambaniny, araka ny karazany avy. Ataovy azo antoka fa nasiana ravin-javamaniry izay hita fa fihinan’ilay bibikely tao anaty tavoara. Mitadiava ireo mpanao mozika mba hanatsara ny toerana natokanao ho an’ny bibikely (zoo), mpanao mozika toy ny angely maneno na jorery ireny, na ianaro ireo fahaizan’ny bibikely mitana na mampiova ny lokony ho tahaka ny toerana manodidina azy.

TOERANA ASIANA NY BIBYNy fanehoana ireny biby mbola velona ireny dia mahaliana mandrakariva.

Azo hanamboarana tranony izay azo tehirizina ao amin’ny trano firaketana ny rakitry ny ela koa ireny biby ireny ary azo atao amin’ny vidiny tsy lafo. Amin’ny ankamaroan’ny fotoana dia vita amin’ny hazo ny trano itoeran’izy ireny saingy atao fitaratra kosa ny anoloana. Azo atao amin’ny alalan’ny baoritra ihany koa anefa ary fitaratra na plastika ny manoloana. Tokony hisy makarakara vy eo amin’ny tampony mba hiarovana ny biby tsy hivoaka. Ny tanjona amin’ny fanaovana ity toerana fasiana biby ity dia ny hanamboarana fonenana ho an’ireo biby mampinono maro isan-karazany sy ireo karazan-tsahona sy bibilava ary ireo biby mivelona anaty rano miaraka amin’ireo olitra keliny. Tsy maintsy mitovy ary mamerina ny tena fonenana iainan’ireo biby ireo ny toerana hamboarina. Ny biby izay miaina any amin’ny tany efitra na tany hay dia tsy maintsy omena hafanana. Azo tanterahina izany amin’ny alalan’ny taratry ny masoandro na ireny jiro mandeha herin’aratra ireny, na koa ireny fitaovana hafa manome hafanana ireny. Ny fametrahana rantsan-kazo kely, vatovato, volon-kazo na lomotra, ampanga na raketa (tsilon-draketa) avy amin’ny toerana na tany nakàna ireny biby ireny dia hanome endrika tsara ary toy ireny tena izy ireny ny toerana hasiana azy indray. Ny toerana hametrahana ny biby koa dia tokony ahitana rano ary ny fanaovana izany ho toy ny endrika natioraly na voajanahary mihitsy dia zava-dehibe loatra. Ny fampiasana taratasy manga sy ampahana fitaratra manarona ireo sisiny ary fasika dia mainka afaka hanehoana ny toerana ho toy ireny farihy na kamory tena izy ireny mihitsy.

MANAMBOARA FANAKA KELY FAMPIRIMAN-JAVATRAFanaka kely fampiriman-javatra sahaza tsara, misy vata sarihina ary boaty maromaro

dia tena ilaina tokoa amin’ny fitehirizana ireo zavatra ampiasaina. Ny fianarana mikasika ny Fahalalana manokana momba ny natiora dia hanome hevitra maro eo amin’ny fanangonana sy fitehirizana ary fampiasana ireo zavatra na biby toy ny biby mampinono, ny bibikely, ny voninkazo, ireo karazan-tsahona sy bibilava, sns..

Ny fananana vata sarihina manaitra sy mahavariana mba hitehirizana sy hamatrarana ireo karazan-javamaniry sy ny natiora isan-karazany avy dia tsy ho voatery handaniana vola be akory vao vita. Vata sarihina misarona fitaratra dia tena lafatra tokoa raha hitehirizana ireo karazan-javatra nangonina.

Akorandriaka, vato, ireo zavatra namboarina, lolo isan-karazany ary ireo bibikely maro samihafa dia azo tehirizina ao anatin’ireo vata sarihina misarona fitaratra ireo hany ka rehefa hatao ny fampisehoana azy ireo amin’ny fotoana tiana hanaovana izany, dia tsy ho sahirana intsony ny hanao izany ary afaka izany fomba izany dia afaka hiaro amin’ny fahasimbana mety ho hita amin’ny fikasihan’ireo mpijery ny zavatra aseho.

151

FITSANGANTSANGANANA ATAO ENY AN-TSAHA NA AN-TANIMBOLYTena zavatra mahafinaritra ary tian’ny Mpisavalalana mihitsy io fitsangantsanganana eny

an-tsaha na an-tanimboly io. Mila mandamina mialoha ny programan’ny fitsangantsanganana ny mpitarika momba ny natiora mba hahatonga izany hahita fahombiazana. Indreto ny zava-dehibe tsy maintsy atao ao an-tsaina:

1. FahalalanaTena zava-dehibe ilaina tokoa ho an’ny mpitarika momba ny natiora ny mahalala mialoha na manana fahalalana mikasika ny zavatra resahina eo anivon’ny natiora. Izany fahalalany izany dia tsy maintsy ananany alohan’ny hitondrana ny tanora zandriny hanao fitsangantsanganana an-tsaha mahomby. Alohan’ny hanaovana fitsangantsanganana eny aan-tsaha hijery ireo vorona dia tokony ho fantatry ny ankizy avy tao amin’ny fianarana kilasy (kilasim-pandrosoana) ny fomba famahanana samihafa ananan’ireo vorona araka ny karazany avy. Mila mahafantatra ihany koa ireo Mpisavalalana ny amin’ny fomba samihafa fanidinan’ny vorona araka ny karazany avy, ny fanaovany ny tranony na ny ankaniny, ny fifindra-monina ataon’ny vorona sasany, sns… Izany fahalalana rehetra izany dia mainka hahatonga ilay fitsangantsanganana hahaliana sy hahafinaritra bebe kokoa. Mandehana manatona ireny tranom-boky ireny na manatona olona manana fahaizana manokana mikasika ny natiora mba hahazoana fahalalana betsaka ny amin’ireo karazan-javamaniry manokana na biby ireo.

2. Ny tonon-taonaNy tanjona amin’ny fijerena sy fanangonana ireo karazan-javatra eo amin’ny natiora ireo dia tsy maintsy ampifanarahina amin’ny zavatra hita araka ny tonon-taona eo amin’ny fandaharam-potoana handehanana any an-tsaha ataonao ao anatin’ny taona. Ny bibikely dia amin’ny lohataona sy fahavaratra no tokony hanangonana azy, ireo voan-javatra anaty fonony toy ny tsaramaso sy ny karazany ary ireo tsimo-kazo na rantsana maniry kosa dia mandritra ny fararano sy ny ririnina no fianarana azy.

3. Ny fonenana “habitat”Ny tiana horesahina eto dia toerana hipetrahan’ireo zavamaniry sy biby. Tokony atao ny manao fandaharam-potoana mba handehanana ho any amin’ireny lavabato ireny mba hijery ireo ramanavy. Tena mila mahafantatra mihitsy ilay mpitarika momba ny natiora ny toerana mety ahitana ireo vorona alohan’ny hitarihiny fitsangantsanganana hijery ireo karazam-borona.

4. Ny fitaovanaRaha hanangona ireo karazan-javatra dia tsy maintsy omena ny fampianarana manokana mikasika ireo fitaovana mifandraika amin’izany toy ny harato, ny trano famandrihana, ny maso lavitra, sns.

5. Ny fitafianaTena zava-dehibe tokoa ny fitondrana fitafiana sahaza. Raha toa ka hanangona akorandriaka ny gropy dia fitafiana mifanaraka amin’izany no tokony hanaovan’ny ankizy, fitafy izay tsy mitovy amin’ny hanaovana rehefa hanangona bibikely satria misy ny fitafy mifanaraka amin’izany.

AIZA NO ALEHA

Azo atao ny manao fandaharam-potoana momba ny natiora mifanolonolo mandritra ny taona ary ao anatin’izany ny fitsangantsanganana eny an-tsaha. Ireny fitsangantsanganana ireny dia manome fahafahana ny mpampianatra mba hanao zavatra mahaliana any amin’ny kilasy hafa fianarana natiora.

152

Ohatra, raha mianatra momba ny vorona ny kilasy eny am-pitsangantsanganana eny dia mety ho azo atao koa ny mijery tselatra ireo bibikely sy voninkazo izay hianarana amin’ny kilasy manaraka na any aoriandriana kely any. Mety hanampy amin’ny fanapariahana ireo hevitra ireto soso-kevitra manaraka ireto:

Trano firaketana ny rakitry ny ela (musée) sy toerana ho an’ny biby (zoo)Saika ny toerana rehetra no manana toerana tsara firaketana ny rakitry ny ela sy

toerana ho an’ny biby izay ahafahana manana tombontsoa mba handranitana ny fahalianana. Ny soso-kevitra mba hananana io trano firaketana io ho an’ny klioba dia mety ho vokatry ny fitsangantsanganna toy izany.

Valan-javaboahary (parc) sy zaridaina feno voninkazoNy ankamaroan’ny tanan-dehibe sy ny fanjakana dia samy manana izany toerana

izany daholo. Ireny toerana ireny dia tombontsoa lehibe sady mahafinaritra hianarana momba ny zavamaniry, ny bibikely, ny vorona ary ny fiainan’ny biby.

Toerana mikarakara ny alaIreo faritany sy ny ambaratongam-paritra mikarakara ny fambolena sy ny ala dia

manana toerana maro mahafinaritra afaka hanaovana ireny fitsangantsanganana anivon’ny natiora ireny. Amin’ny alalan’ireny no ahafahan’ny Mpisavalalana mianatra ireio bibikely mpanimba ka manjary loza mananontanona ho an’ny voly sy ala. Mbola amin’izany ihany koa no ahafahan’izy ireo mamantatra ireo zavamaniry sy biby izay tsy misy afa-tsy ao amin’io firenena na faritra io. Maro ny klioba afaka mamangy ny foiben-toerana ho an’ny fikarakarana ny fambolena sy ny ala, ary amin’izany no ahafahan’izy ireo mahalala ny fomba fiarovana ny ala amin’ny afo na ny doro-tanety.

Saha fambolena zana-kazo (pépinière)Ireny saha fambolena zana-kazo ireny dia tena afaka hisafidianana tsara hanaovana ny

fitsangantsanganana any an-tsaha ho an’ireo gropy izay mianatra momba ny voninkazo sy ny hazo. Ny fomba fanirin’ny zavamaniry, ny fikarakarana azy ireo, ny safidy na fifidianana atao eo amin’ny zavamaniry sasantsasany noho ny fepetra takian’izy ireo eo amin’ny fivelarana dia mety hanampy ny fahalianana efa misy. Ny fitsangantsanganana toy izany dia afaka hanampy ihany koa eo amin’ny fanatanterahana ireo fepetra takiana amin’ny Fahaiza-manokana na Talenta eo amin’ny ozinina fanodinana atao any ivelany na hanampy eo amin’ny fampivelarana ireo tetik’asa eo amin’ny fiaraha-monina momba ny fanatsarana.

Ireo tendrombohitra sy alaIreny toerana ankalamanjana ireny dia tena lafatra tokoa raha hanaovana

fitsangantsanganana an-tsaha. Eo ny mpampianatra dia manana tombontsoa hanondro sy hampiseho ireo zavamaniry isan-karazany, ny bibikely, ary ireo rehetra miaina miaraka ka afaka mifanampy. Afaka mandeha dia mijanona kely mipetraka ny gropy ary mijery sy mandinika amim-pahanginana ny fiainana an-tsaha.

Toeram-piompianaMety ho afaka hianatra zavatra maro avy amin’ny alalan’ny fitsidihana toeram-

piompiana sy fambolena misy eo amin’ny manodidina ny gropy. Maro amin’ny tanora no afaka hianatra ny fandraisana anjara ataon’ny biby mba hitondra zava-tsoa sy zavatra ilain’ny olombelona.

Ny fahitana ireo fambolena, ny fiompiana ary ny fijinjana ny vokatra maro samihafa azo avy amin’ny tany dia mety hampahatsiahy amin’ireo tanora indray ny fitiavan’ilay Mpamorona nanome ny zavatra rehetra ilain’ny olombelona.

153

Ireo lohasahaEto ny mpampianatra dia afaka ny hahita zavatra maro izay hahaliana ny

Mpisavalalana. Ireo sahona, bibilava, sokatra, bibikely, voninkazo ary ireo zavamanan’aina maro samihafa miseho amin’ny endrika isan-karazany dia afaka ho hita ihany koa.

Renirano sy kamoryFiainana zavamanan’aina maro isan-karazany no miandry ny mpandinika amin’ireny

toerana ireny. Ao koa ireo kamory namboarin’olona fa tsy vita nanahary izay afaka hanaovana fitsidihana sy fitsangantsanganana tsara tokoa.

Morondrano sy tora-pasikaManintona fiainana maro samihafa ny rano ary dia manana tombontsoa tokoa ny

mpitarika momba ny natiora izay manana fahafahana hiditra amin’ireny toerana ireny mba hianatra ny natiora.

Toerana fihadiam-bato (carrière)Ny fianarana natiora eny anivon’ireny toerana fihadiam-bato efa ela ireny dia afaka

ahitana ireo vato mineraly, zavamaniry na taolam-biby izay efa ela tokoa ka nanjary lasa vato (fossile), ny fianarana ny tany (géologie), sns.

Valan-javaboahary an’ny Fanjakana (Parc National) sy ireo Toerana sarobidy na saro-pady (sanctuaire)

Afaka hanome fianarana natiora tena tonga lafatra tokoa ireny toerana fitehirizana biby na zavamaniry maro samihafa izay hita eo an-toerana ireny. Mety ho an’ny fanjakana izany toerana izany kanefa koa mety ho an’olon-tsotra. Ireny toerana sarobidy na saropady ireny matetika dia manana ireo biby dia, izay nanjary afaka nompiana satria voafolaka ary afaka hianarana akaiky ny momba azy saingy eny amin’ny toerana somary lavidavitra azy ianao no mitazana.

IREO MARIKA ILAINA (INDICE) RAHA HANAO FITSANGANTSANGANANA AN-TSAHA ENY ANIVON’NY NATIORA

1. Antony hanaovana fitsangantsanganana any an-tsaha? Hampivelarana ny fitiavana an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny zavaboahary Ilay fientanentanam-po mahafinaritra tamin’ny fahitana ny endrika sy ny feon’ny

natiora Fanajana lalina ireo zava-manan’aina sy ny fomba fanao eny an-kalamanjana. Hampivelatra maharitra ny fahalianana ho an’ny fivoahana eny an-kalamanjana ary

ny fampiasana amin’ny fahafenoana ny fotoana fialam-boly.

2. Mialohan’ilay fitsangantsangananaMahafantatra marina ilay toerana sy ny lalana rehetra.

3. Fitarihana ilay fitsangantsanganana Manomboka amin’ny fotoana marina Mailaka ny fanombohana Mijanona rehefa misy zavatra tokony hojerena Ataovy azo antoka fa mahita ny zavatra tondroinao ny tsirairay avy Amporisiho ny fandraisana anjara Ampio ny rehetra hampivelatra ny fahafaha-mandinika Mitandrema tsara Manàna hafanam-po Ampiaraho mandrakariva ny gropy

154

Ataovy ho toy ireny ampahany kely amin’ny tantara ireny ny fiatoana atao Mizàra manana fotoana hanginana

4. Aorian’ny fitsangantsanganana Asehoy ireo sary nalaina nandritra ny fitsangantsanganana (“diapo” na “film”) Mampiasà horonan-tsary mikasika ireo lohahevitra nasehon’ny fitsangantsanganana Makà tatitra avy amin’ny olona samihafa mikasika izay nahaliana hita tany am-

pitsangantsanganana

SOSO-KEVITRA NY AMIN’NY FITSANGANTSANGANANA ANY AN-TSAHA

Telovolana voalohany Manaova fitsangantsanganana am-bisikilety mahatratra 50 km ary manaova fanatonoana

na mahandro an-kalamanjana miaraka amin’ny klioba Mpisavalalana iray Manaova fitsangantsanganana eny amoron-dranomasina mba hanangona akorandriaka sy

biby tsy misy taolan-damosina (invertebré) Mitsidika tany fambolena anana sy legioma Mitsidika foibe misy “radar”, tilikambo misy ny fanaraha-maso (tour de contrôle) eny

amin’ny seranam-piaramanidina na birao fandefasana telegrafy Mandeha mamangy ozinina manamboatra ireny zana-tsipika (tir à l’arc) ireny na mijery

ireo matihanina mandefa zana-tsipika Mamangy klioba mpamonjy aina iray (secourisme na sauvetage) Mandeha mitsangantsangana mba hizaha ireo mpanao dihy nentin-drazana eo an-toerana

Telovolana faharoa Mitsidika toerana fambolena zana-kazo (pépinière) Mitsidika faritra lemaka iray ahitana ampanga marobe mba hampihaingoana voninkazo Mitsidika toerana fanamboarana fanaka na ireny toerana fanamboarana ireny fitaovana

hampiasaina hanamboarana trano ireny Mitsidika trano fanasan-damba (blanchisserie) iray eo an-toerana Mitsidika toerana fanamboarana iray ka mijery ireo mpanamboatra herin’aratra eo am-

piasana Mitsidika foibe fanapariahana herin’aratra (centrale électrique) Mitsidika trano fivarotana voninkazo iray Mitsidika trano fivarotan’ny mpanjaitra iray na ozinina mpanjaitra akanjo

Telovolana fahatelo Mitsidika lasy iray ataon’ny skoto, mandinika ireo teknika na fahaiza-manao vaovao

ananany Mitsidika toerana fijerena kintana (observatoire) na fianarana ny fandehan’ny kintana eny

amin’ny habakabaka (planétarium) Mitsidika toerana fanaovana mofo ary jereo daholo ireo fitaovana ampiasaina ao Mitsidika toerana fakana sary iray na trano fivarotana fakan-tsary Mitsidika ireo fitaovana fanamboarana hoditra, toerana misy ireo biby, na toeram-

piompiana iray Maka fahafinaretana amin’ny fandehanana an-tongotra sy fianarana ny natiora

Telovolana fahaefatra Mitsidika toeram-pivarotana ireny fandefasam-peo na radio sy ireny fitaovana elektronika

ireny na mitsidiha foibe fandefasam-peo

155

Mitsidika foibe taon-tsaritany na biraon’olona mpandrefy tany na mpanamarina tany (géomètre)

Mitsidika foiben-toerana fahafantarana ny toetr’andro na ireny toerana amoron-dranomasina misy mpianadry jiro manazava ny ranomasina amin’ny alina ireny (phare)

Mitsidika ny foiben’ny Vokovoko Mena na mamangy hopitaly sy ny trano fandraisana ireo tratry ny voina tampoka ka mila vonjena haingana (salle d’urgence)

Mandehana mitsidika ireny toerana famokarana sy fanamboarana sakafo am-bifotsy ireny Mitsidika kolejy na oniversite eo an-toerana ka mijery ireo ekipa tena eo am-perin’asa Mitsidika toerana fanamboarana bakoly sy ny trano fivarotana azy na mitsidika toerana

fanamboarana ireny karazana vazy tany ireny.

FILASIANAFILOZOFIA Mitombo ara-boajanahary sy tsy mijanona ny ankizy rehetra. Ny toerana

rehetra misy azy, sy ny olona rehetra mifanerasera aminy dia anisan’ny tenany. Tsara indrindra ny fitomboany amin’ny fiarahana amin’ny olona izay manana fanandramana sy mahazo ary manome tombam-bidy azy. Manome fitaovana mahery vaika amin’ny famolavolana izany fitomboana izany ny filasiana.

Filasiana

1. Manome fanandramana iray amin’ny fomba fiainana mifototra amin’ny baiko hoe « Tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra … (Ary) Tiava ny namanao tahaka ny tenanao » manindry mafy amin’izany ny :

¤ Firaisan’ny saina sy ny vatana¤ Ny maha- zava-dehibe ny ny fanorenana fomba fijery tsy mivolana ¤ Ny andraikitra roa sosona amin’ny fiheverana ny an’ny tena sy ny

fanaovana zavatra amin’ny maha-mpikambana ao amin’ny tarika iray.

2. Hanampy amin’ny fampivelarana ny fahatsapana ny maha-anisan’ny voary sy ny Mpahary azy amin’ny alàlan’ny :

¤ Fanandraman’ny tena manokana miha- mitombo amin’ny fifaneraserana amin’ny tontolo voajanahary.

¤ famporisihana ny fampiasana ireo retsi-pandre loharanom-baovao mba hampivelarana ny ohatra alain-tahaka amin’ireo zavatra tsapa sy re.

¤ Fampiasana ny « toerana mitokana » sy fotoana mba hieritreretana¤ Famporisahana amin’ny fandinihana ireo ohatra fakan-tahaka misy hita

ary ny fijerena sy ny fandraisana fanapahan-kevitra indray mba hamolavola ohatra alain-tahaka metimety kokoa.

3. Hamporisika amin’ny fanorenana fifandraisana ara-tsosialy metimety kokoa eo amin’ny samy tanora, sy eo amin’ny tanora sy ny lehibe.

4. Hamela ny olona hianatra ny fomba hampitomboana ny fandriam-pahalemany sy ny fifaliany amin’izany eo amin’ny fiainana.

156

5. Hampiasa ny tena mazava-misy amin’ny tontolo any ankalamanjana mba hitarihana ny mpikambana tsirairay ao amin’ny tarika «  hanao ny marina… ho tia famindram-po, ary handeha amim-panetren-tena miaraka amin’Andriamanitra. »

6. Ary tahaka izay nametrahan’ny Mpisavalalana iray azy teo am-pamaranana ny herinandro filasiana tao an-dava-bato (zohy) hoe : «  Ity fanandramana ity dia hanampy ny olona iray hanao ny fanapahan-kevitra manan-danja eo amin’ny fiainana. »

Manjary zava-misy izany foto-kevitra izany amin’ny asa fanompoana an-dasy izay mihazona ao an-tsaina ireto tanjona kendrena manaraka ireto, amin’ny fahatsiarovana fa ny toetra maha-izy azy ny mpilasy no zavatra manan-danja inddrindra izay tokony ho karakarain’ireo mpitarika na inona na inona izany lasy izany. Ampitahaina amin’ny vokatra lavitr’ezaky ny fivelaran’ny toetra maha-izy azy ny olona iray, ny zavatra hafa rehetra atolotsika dia maloka ao anatin’ny maha-tsy misy dikany azy.

TANJONA KENDRENA

1. Hanome ny tsirairay ny tombontsoa azo hararaotina hikatsahana ny fahamarinana mikasika an’Andriamanitra sy ny tenany, hampiasana ny fanandraman’ny retsi-pandre amin’ny fahafenoany, ary hanome fotoana ho amin’ny fivelarany, fitomboany, sy ny fanekeny ny fisainana sy hevitra vaovao, amin’ny alàlan’ny teny na tsia.

2. Hametra ny fenitra ara-dalàna eo amin’ny fomba fiaina an-dasy mifototra min’ny fanekena, fahatokiana, fiaraha-miasa, sy fiarovana ny tontolo voajanahary.

3. Hanome fotoana sy toerana manokana ho an’ny olona iray mba hanandramana ny fahatsapana vaovao mivelatra, mba hahafahany manandrana izany miaraka amin’izy ireny, ary raha ilaina ny hanova ny hevitra tranainy sy hampivelatra fomba fiasa vaovao ho alain-tahaka.

4. Hanome toe-javatra azo antoka izay hahafahan’ny olona iray miaina ami-pirindrana amin’ny tontolo iainana voajanahary sy hahatsapa ny firaisany amin’izao tontolo izao sy ny Mpahary azy.

5. Hanorina rafi-piaraha-monina araka ny tena izy ho fampivelarana ny fifandraisana mifototra amin’ny fanomezana tombam-bidy ny tena sy ny fahatsapana ny fahitsian-toetra.

6. Hametraka fihetsiketsehana mahafinaritra izay hahitana ny:

Fahaiza-manao izay hahatonga ny tsirairay ho afaka ny: Hihevitra ho an’ny tenany, mba ahafahany mitarika ny hafa Hikarakara ny tenany, mba hahafahany hanampy ny hafa Handresy ireo tahotra tsy misy dikany ary hampitombo amin’izany ny

fanandramany Hiatrika ireo tahotra mitombina, mba hahafahany mirisika amin’ny fomba azo

antoka.

Toe-javatra izay hampiasana ireo fahaiza-manao ireo mba hanatanterahana tanjona iray, izay hitarika amin’ny fampivelarana ny:

Fahatsiarovan-tena Tsy fihambahambana Fifankazahoana am-po

7. Hitondra fivelaran’ny tanora amin’ny fifampikasohana amin’ny kristiana tia sy maha-te ho tia.

157

DIA AN-TONGOTRA LAVITRA SY NY FANGORONAN’ENTANA

KARAZANA FILASIANA

Andao handeha an-tongotra!

Ireo teny telo ireo dia mety misy vokany mahagaga amin’ny fikambanana Mpisavalalana, na mety ho teny hampitaraina sy hampimonomonona. Miankina amin’ny mpitarika azy ny hahatonga ny fanaovana dia lavitra an-tongotra ho fahafinaretana na ho enta-mavesatra ho an’ny Mpisavalalana. Manaova drafitra amim-pitandremana ny antsipiriany ny fanaovana dia an-tongotra, mba hahatonga ny tontolo andro hisosa tsara tsy misy sampona. Ataovy izay hahaliana ny fandehanana an-tongotra haramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany. Ireto manaraka ireto no fitsipika izay hahatobga ny fandehanana an-tongotra ho tena fahafinaretana.

1. Ataovy ny drafitry ny fandehanana an-tongotra mba hahafantaranao mazava tsara ny toerana halehanao. Manana tanjona ao an-tsaina izay mety ho tratra ao anatin’ny halavam-potoana novolavolainao ho amin’ny fandehanana an-tongotra.

2. Atombohy moramora ny fandehanana an-tongotra mba hahatonga ny rehetra haharaka ny dia, avy eo ampitomboy miandalana handeha amin’ny antonony sy hitovy ny famindra. Miezaha hihazona ny fipaikan’ny famindra (rythme) mandritra ny dia an-tongotra.

3. Miaina lalina

4. Maka aina 10 minitra farafahakeliny isaky ny dia an-tongotra mandritra ny 50 minitra. Aoka ho azo antoka fa tena maka aina ny mpisavalàlana. Ny mitsotra amin’ny tany ary atao eo ambony foto-kazo na vatolampy ny tongotra no tena manala sasatra ny tongotra sy ny fe vizana.

5. Tsara indrindra ny tsy mihinan-kanina fotoana fohy mialoha ny tena handehanana an-tongotra.

6. Aza misotro rano be loatra mandritra ny fandehanana an-tongotra fa misotroa tsikelikely matetika amin’ny rano ao amin’ny fitoeran-dranonao. Raha manomboka mahatsiaro ho tena mangetaheta hianao, dia hanampy anao ny vato kilonjy kely madio atao ao am-bava.

7. Raha manara-dàlana ny dia an-tongotra ataonao, mandehana mandrakariva manjohy tokana manatrika ny fiara tamy manantona.

8. Aoka hahalala fomba sy hitandrina ireo fananan’olona manokana sy ny fanana rehetra izay misy soratra hoe «  Tsy azo handehanana ». Rehefa avy nampiasa vavahady izay nahazoanao alàlana aoka ho azo antoka fa nihidy ny vavahady rehefa avy nandalo ny Mpisavalalana rehetra.

9. Manana fiheverana ireo mpandeha tongotra hafa. Aza manosika na manitsaka ny ombalahin-tongotry ny olona eo alohanao. Hingao ny tongotra mba tsy hamovoka amin’ireo izay ao aoriana.

158

10. Ny vaovao rehetra izay nomena avy any aloha dia tokony hampitaina amin’ny laharana rehetra, ary ny olona rehetra dia tompon’andraikitra amin’ny fampitana ny hafatra amin’ny olona ao aoriany.

11. Omeo anjara asa samy hafa voafaritra tsara ho atao ny Mpisavalalana, toy ny mpitarika ny mpandeha tongotra, ny vodilaharana, ny mpamonjy taitra amin’ny voina, mpitana ny fotoana (hihazona ny fotoana hialana sasatra), miantoka ny fandriam-pahalemana, sy ny asa hafa izay ilaina mba hahatonga ny fandehanana an-tongotra ho fahombiazana. Hevitra tsara ihany koa ny mampifandimbindimby ireo anjara asa ireo mba hahatonga ny Mpisavalalana rehetra hanana fanandramana maro karazana.

12. Hamarino mba tsy hisy mpandeha tongotra ho tavela any aoriana.

FITAFIANA SAHAZAFotoana mety amin’ny fandehanana tongotra avokoa ny tonon-taona rehetra. Tsy

ilainao ny hiandry fahavaratra na lohataona mba hanaovana dia an-tongotra ; azo atao mandritra ny taona rehetra izany. Rehefa mamolavola drafitra ho amin’ny fandehanana an-tongotra, ny zavatra iray goavana tokony ho heverina dia ny fitafiana sahaza. Amin’ny fahavaratra dia tokony ho maivana ny fitafiana, amin’ny ririnina dia ho matevia sy misy sosony. Ireto manaka ireto no fitsipika :

1. Amin’ny toerana avo dia mety ho tena mangatsiaka amin’ny hariva na dia lohataona aza. Tokony hitondra fitafiana mafana.

2. Amin’ny fanaovana dia an-tongotra amin’ny ririrnina ny iray amin’ny ankamaroan’ny fahadisoana mpahazo ny rehetra dia ny famesarana ny Mpisavalalana amin’ny fitafiana be loatra ho entina mandeha tongotra. Tokony ho entina ny fitafiana mafana amin’ny fialan-tsasatra sy amin’ny hariva rehefa milasy, fa amin’ny fandehanana an-tongotra ny fitafiana dia tokony hampafana ilay olona fotsiny fa tsy hahatsemboka azy. Raha misy olona iray tsemboka amin’ny ririnina ary avy mijanona haka aina, dia hampangatsiaka azy izany. Aoka hivezivezy tsara manerana ny fitafiana ny rivotra, ary rehefa mijanona haka aina izay vao manao akanjo mafana.

3. Aoka tsy ho avela handeha tongotra amin’ny kiraro tsy sahaza ny Mpisavalalana. Ny kapakapa na ny kiraro mitovitovy amin’izany dia tsy tokony hanaovana mihitsy amin’ny dia an-tongotra, na ny kiraro na baoty vaovao, satria hampitsovaka izany. Tsy misy fitsipika apetraka amin’ny fanaovana kiraro, afa-tsy amin’ny ririnina, dia tokony ho kiraro baoty mahatanty rano. Amin’ny dia tongotra amin’ny andro mafana dia aleon’ny sasany manao kiraro maivana toy ny tenisy, ny hafa kosa mifidy ny kiraro baoty fohy. Amin’ny kapobeny fitsipika iray no arahina amin’ny dia an-tongotra: Ba kiraro matevina no tokony hanaovana mba tsy hifampikasohana amin’ny tongotra.

4. Tena manify ny rivotra ary mahery vaika ny tara-masoandro any amin’ny toerana avo, noho izany dia tokony hanao zavatra hanaronana ny loha.

5. Rehefa manao drafitra handeha tongotra any amin’ny ranomandry, mitondrà solomaso manjavona mba hiarovana ny fahanjambana vokatry ny ranomandry. Ireto dia zava-dehibe mba hampahazo aina sy hahasalama ny mpandeha tongotra toy ny ba kiraro mafana, gan-tanana, satroka izay hanarona ny sofina.

159

FEHEZAN’ENTANAMisy karazana fehezan’entana maro. Miankina amin’izay tian’ny tsirairay izany. Ny

maro mifidy ny fehezan’entana mitsangana (babena), ny hafa kosa dia ny fehezan’entana tsotra . Ny fehezan’entana mora indrindra ho an’ny Mpisavalalana ny mitondra azy dia ny entana babena misy fehikibo mitondra ny vesatra. Ny fehezan’entana tsara dia ho entina eo amin’ny soroka sy ny valahana. Ny halehiben’ny fonosan’entana dia tokony hiovaova arakaraky ny halehiben’ny lamosina ny halava avy eo amin’ny valahana mankany amin’ny fihaonan’ny soroka sy ny tenda.

Rehefa mamehy entana, dia alamino izay ao anatiny mba hahatonga izay zavatra mavesatra ho eo ambony ary ny maivana sy ny malemy ho any amin’ny farany ambany. Amin’izany fomba izany no izarana ny vesatra eo amin’ny sorokao. Aoka ho maivana arak’izay azo atao ny fehezan’entana. Ny zavatra sasany tokony ho entina mandrakariva: farafahakeliny ba kiraro iray amboniny; akanjo fitafy hisoloana iray amboniny ; savony, borosy nify sy ny vovoka famotsianify, lamba famaohana, lamba firakotra na kitapo fatoriana ; lafika amin’ny tany, jiro fanao am-paosy, aro orana, sakafo, fitaovam-pihinanana sy fitaovam-pahandroana, afokasoka, ireo fitaovana vonjy taitra amin’ny voina ho an’ny tena manokana, taratasy fivoahana, ary sarintany sy famantarana avaratra.

Ny fiambozonana dia fomba fotsiny hitondrana ny kitapo fatoriana na ny kidoro azo ahorina na eo ambonin’ny entana na eo ambonin’ny soroka. Ny lamba firakotra na kitapo fatoriana dia azo ahorona amin’ny fomba izay hahatonga azy ho lava tsara mba ho toy ny U mivadika eo ambonin’ny entana na ny soroka iray na ny soroka roa raha tsy mampiasa fehezan’entana.

160

SAKAFO

Rehefa misafidy ny sakafo ho fehezina mandritra ny dia dia hevero ireto manaraka ireto:

1. Ny lanjan’ny otrik’aina ao amin’ny sakafoIo angamba no iray amin’izay tokony hoheverina voalohany. Fahendrena ny mitondra sakafo be otrik’aina mitondra tanjaka, matetika be tavolo, miaraka amin’ny siramamy kely.

2. Ny lanjanyTokony ho maivana ny sakafo rehetra. Ny sakafo nohamainina no mety ho ampiasaina.

3. Ny halehibenyZavatra samihafa ny halehibeny sy ny lanjany - mety ho maivana ny sakafo iray kanefa tena mibahan-toerana, ohatra: voamaina nabontsina. Ho tsaratsara kokoa ny mitondra biskoitra sy ny toy izany. Ny zavatra am-bifotsy no ohatra amin’ny zavatra mavesatra sy mibahan-toerana. Ankoatr’izany ny zavatra amin’ny boaty sy am-bifotsy dia tsy tokony ho entina miaraka aminao

4. Ny zavatra tsy mora vakyNy sakafo mora vaky, mora potika na miempo dia tsy sakafo tsara tokony ho entina any anaty fehezan’entana, raha tsy voafono tsara amim-pitandremana.

5. Ny zavatra mora simbaNy sakafo izay mora simba dia tsy tokony ho entina mihoatra ny indray andro. Hialao izay rehetra mety hahazoana poizina avy amin’ny sakafo.

FOMBA FANDAMINANA SAKAFO AO ANATY ENTANA

1. Ataovy eo amin’ny farany ambonyTsara indrindra ny mametraka ny sakafo eo ambony indrindra amin’ny fehezan’entanao, eo izy tsy ho voatsindry ka ho potika.

2. Takelaka aliminiomaAvy dia miforitra ho azy ny takelaka aliminioma famonosana koa tsy ilaina ny fingotra na tady hihazonana azy. Tsy tafiditry ny hamandoana, rivotra, hazavana, sy ny fofona izany. Ny iray amin’ny fahagagan’ny takelaka aliminioma dia mety andrahoana ao anatin’izany fonosana izany ny sakafo.

3. Famonosana na harona plastikaFamonosana voankazo nahomainina tsara indrindra io. Hihazona azy ho malemy sy ho matsiro izany. Tsara ihany koa hamonosana fromazy; miaro ny rivotra izay mety hampitsonika azy izany. Tsara indrindra ihany koa ny mitondra vovo-dronono mifono sy ny sisa.

4. Fialofana sy fahaiza-manao mikasika ny afo.( Manangana fialofana amin’ny rantsan-kazo toy ny endrika A, fatana amin’ny afon-dasy, fitehirizana sakafo, sns, sy ny fampiharana ireo zava-bita amin’ny tady, fanaovana kapa na kiraro amin’ny ranomandry, sy ny hafa.)

5. Ireo fototra amin’ny fananihana: fampiasana tady mahazaka, fianihana malalaka, fampiasana fingotra, sns.

6. Vonjy voina (fomba fanaovana vonjy voina any an-tany foana toy ny, filanjana na harato fitondrana tapaka, sns…)

161

7. Fandriam-pahalemana (Fanadiovana rano, fampiasana fitaovana tsy handratra, toeram-pilasiana sy fiantohana ny afo, fahalam-pomba amin’ny fandehanana an-tongotra,sns…)

FAHAIZA-MANAO VOAFARITRA MANOKANA

Ny fahaizana mivelona any an-tany foana dia azo ampianarina ny amin’ny fitsangatsanganana an-dakana, any anaty zohy, sy fandehanana an-tongotra tahaka ny hahafahana mampianatra azy amin’ny fotoana tsotra fitsangantsanganana.

Ny fitsangatsanganana fotsiny, tsy misy fampianarana araka ny mahazatra, dia manabe arak’izay tena dikany tokoa ary mety hahatratra izay ilain’ny tarika kanefa faran’izay kely ny fanehoana am-bava na an-tsoratra. Kanefa tsy mampaninona ny fomba hanehoana ny fampianarana dia misy zavatra manan-danja izay tokony ho tsarovana mifandray amin’ny fampianarana fahaiza-manao ankalamanjana.

1. Fanadiovana ranoAza manao an-tsirambina eto. Mety hanimba ny dia ny hakamoana. Diovy amin’ny raha simika fanadiovana ny rano sotroina rehetra na ampangotrahy. Aoka ny mpitarika ny sokajy hanamarina izany mandrakariva ary hisoroka ny aretina mandalo sy ny aretina tsy ahafahana mihetsika. Ampianaro ny mpisavalàlana tsirairay mba hametraka ireny fanafody fanadiovan-drano ireny amin’ny fitehirizan-drano rehetra mba hahatonga izany ho fahazarana.

2. Zava-maniry fihinanaAza manombatombana. Raha tsy fantatrao ilay zava-maniry dia lazao izany. Aoka hisy olona hampianatra mikasika izany lohahevitra izany izay mahafantatra tsara ary tsy miezaka ny hanarontsarona ny tsy fahalàlany; tsy misy olona mahafantra ny zava-maniry rehetra. Tsy misy poizina ny ankamaroan’ny zava-maniry, kanefa misy vitsivitsy tena mahafaty. Hialao ny fampianarana zava-maniry fihinana mitovitovy amin’ireo karazana misy poizina. Aoka ho azonao antoka tanteraka mialohan’ny hilazana amion’ny olona ny mikasika io zava-maniry io na azo hohanina izy na tsia; mety hiankinan’ny aina izany zavatra izany!

3. FianihanaMbola mamporisika ny fananana mpampianatra voaofana izahay mialohan’ny hanombohan’ny mpisavalàlana hihanika amin’ny fomba azo antoka sy teknika tsara indrindra. Ny fikambanana mpianika dia afaka hanome mpampianatra izay mahafantatra ny fampiasana araka ny tokony ho izy ny tady nylon ; ny fomba tsara indrindra hanaovana ny vona fototra ; hamatorana ny tady amin’ny tena araka ny tokony ho izy, ny fanenjanana, sns. Ny satroka fiarovan-doha sy ny lamboridy dia tokony hanaovana rehetra rehefa mianika vatolampy. Aoka ho azo antoka fa ny mpianika dia mahafehy ny fahaizana mamatotra ny tena mialohan’ny hanandramany mananika, ary hahita fa ny mpianika rehetra dia voatazona tsara araka ny tokony ho izy amin’ny fotoana rehetra. Ireo mpampianatra tsara dia ho malina mandrakariva amin’ny loza mety hiseho ary hikatsaka izay hisorohana ireo loza.

162

4. AfoAoka hahafantatra tsara ireo fitsipika mifehy ny afo eo an-toerana. Ny fitandremana fanampiny dia tsy maintsy ho ampiasaina eo amin’ny lasy hatrany am-boalohany mba hahitana fa azo antoka ny toerana rehetra misy afo ao amin’ny lasy. Haraho ny fitsipika! Aza ilaozana ho tsy misy olona mihitsy ny afo iray, ary aoka ho azo antoka fa maty izany mialohan’ny handaozana azy.

5. Fandriam-pahalemanaManaova drafitra amin’ny làlana fivoahana haingana raha misy loza tampoka hialana eo amin’ny toerana fianihana mankany amin’ny toeram-pitsaboana. Aoka ho feno ireo fitaovana amin’ny vonjy voina. Ny mpilasy rehetra dia tokony ho voaantoka amin’ny fiantohana raha misy loza.

IREO TANJONA KENDRENAFahaiza-mikaroka, fahasahiana, fahatokian-tena, sy fahavononana hanompo ny hafa

no toetra mampiavaka izay tokony ho ampivelarina. Mila fehezina ny fahaiza-manao ilaina mba hahatonga ny olona iray ho afaka handeha hamakivaky tany foana sy amin’ny farany ho afaka hitarika tarika iray mamakivaky ny tany foana.

TRANO LAYMisy maro ny karazana, habe, endrika trano lay. Ny mpilasy tsirairay dia manana izay

tian’ny tenany manokana. Ny ankamaroan’ny trano lay mahazatra ampiasain’ny Mpisavalalana dia ny trano lay manana endrika kitso loha. Ny lay tsara kokoa dia izay fikopaka eo aloha sy eo aoriana mba hahatonga ny lay hihidy tsara amin’ny vani-potoana rehetra. Mora foana ny manao lay kely amin’ny fampiasana lamba nylon tsy mivotsotra. Ity manaraka ity dia modely nampiasain’ny fikambanana maro tamim-pahombiazana izay tena lafo ny fividianana trano lay.

163

AHOANA NY FOMBA FANAOVANA TRANO LAY

Farafahakeliny 2 metatra

A

A

164

1)Manapaha lamba kely hoditra 6 sahabo ho 15 sm avy2)Apetaho eo ny rivè amin’ny tendrony iray arak’izay aseho eto3)Zairo ny ny tendron’ny telo lafy arak’izay hita eto

Manapaha telolafy kely 6 sahabo ho 15smx12smAmpiasao io mba hanamafisana ny zorony 6 amin’ny alàlan’ny fampiasana ny zaitra#3

15 sm Sary4

Sary33,5m

10sm 5sm

1) Ampifandraiso ny ravi-damba anankiroa lava tsara amin’ny fanjairana azy eo amin’ny #1

2) Ampifandraisony sisiny A amin’ny sisiny B mba haka endrika lay amin’ny fanjairana eo amin’ny #2. Zairo avy any anatiny.

(Sary 2)

1,20 mts/ 4ft

Trano lay efa vita

2 2

1

Sary 1

Sary 5

119sm

#1

1,5sm

#2

1sm

#3

165

Mariho: Manapaha tady nylao efatra sahabo ho 20 sm ary afatory amin’ny tendrony efatry ny lay amin’ny tany. Tapaho ny ambiny tady ho mitovy halava anankiroa mba ho hatao fanenjanana amin’ny tendrony roa eny ambony.

Ireo fitaovana ilaina:1.Tady nylao famatorana ny mivaha 7,5m2.fermetiora 2-1m- ;-2-1,15 m3.fantosna aliminioma 1,5 ‘’ ny savaivony-3,5m ;5/8-savaivo- 2m4.Fantsika 8 sahabo 11/16’’5. Lamba hoditra 1m6. Rivè boribory 6-1/2’’ aliminioma na varahina7.Tady nylao 10m8. Kofehy fanjairana anankitelo9.Kofehin’Harato2,5m10.5/8’’ PVC miolana 2

Fantsona 1/2

1)Manjaira fermetiora 1,15 m eo amin’ny toerana misy marika 1 miaraka amin’ny tongony eo amin’ny teboka a2)Manjaira fermetiora 1m eo amin’ny toerana misy marika 2 miaraka amin’ny tongony eo amin’ny teboka atokony hivoha avy any ankavanana miankavia araka izay tondroin’ny tsipika ny fermetiora. Tokony ho hamafisina ihany koa amin’ny tady nylaoNy fermetiora kely ny lafiny no hozairina avy hatrany amin’ny lafiny ankavia amin’ny lay, ireo fermetiora ankehitriny dia mety ho zairina amin’ny lay—izany no manome fidirana anankiroa hanamora ny fankanesana ao amin’ny toerana fatoriana sy ny entana

Fantsika fohy fanajanonana

114 sm

Fantsona 1/2Sary 6

MANANGANA SY MANDRAVA LAYNa inona na inona karazana lay safidiana ho ampiasain’ny Mpisavalalana,

ny anankiray ampiasaina dia tokony hanehoana ny fananganana sy fandravana azy. Ny Mpisavalalana rehetra dia mila manana fanandramana amin’ny fananganana sy fandravana lay.

FIALOFANA AMIN’NY FITAOVANA VITANANAHARYAmin’ny andro sasany tianao ny hitondra Mpisavalalana amin’ny filasiana an-

kalamanjana (survie) izay tsy misy fialofana ho entina. Amin’izay fotoana izay hianao sy ny Mpisavalalana ho entinao dia mila manana fahalàlana amin’ny fitadiavana na fananganana fialofana amin’ny fitaovana misy eo.

FITSANGATSANGANANA AN-DAKANA

Any amin’ny ankamaroan’ny firenena dia misy tombontsoa betsaka azo hararaotina amin’ny fitsangatsanganana an-dakana, izay afaka hitondra fanandramana miteraka valisoa sy misy fiantraikany maharitra-miaraka amin’ny fifaliana mitombo maniry ny handeha indray.

Ny fanandramana, araka ny fandinihana farany, no làlan-tokana hianarana mitaingin-dakana. Tokony hanana ireo fahalàlana fototra amin’ny fitondrana lakana ny Mpisavalalana mialohan’ny hanandramana manao lasy fitsangatsanganana mifototra amin’ny fandehanana an-dakana. Zavatra iray ny mandehandeha eo amin’ny manodidina mitondra lakana ary zavatra iray hafa mihintsy ny milasy an-dakana. Ny fifanakalozan-kevitra fohifohy ireo zavatra fototra mialohan’ny handehananao dia afaka hanampy hampisosa ny làlana.

NY LAKANA (canoe)

Tonga voalohany ny resaka mikasika ny fifidianana ny lakana. Hiankina betsaka amin’ny karazana fitsangatsanganana izay volavolainao izany- na ho fohy na ho lavitra ny dia, rano mandeha sa mianddrina. Ny lakana kanadianina no matetika hamporisihana ho an’ny karazana lasy an-dakana, nohon’ny habeany fotsiny ihany. Afaka mitondra fitaovana betsaka sy antonona olona roa ka hatramin’ny telo malalaka tsara. Ny Kayak no mifanaraka kokoa amin’ny rano mandeha, nohon’ny mahamora ny familiana azy.

Ny Kevlar no fitaovana malaza be mpampiasa indrindra ankehitriny, satria maivana sy mateza.

Misy karazana fivoy maro azonao hisafidianana, izay avelanay ho anao arak’izay tianao manokana. Ny fivoy eny an-doha lakana, izay kapitenin-dakana dia tokony hanana fivoy izay mahatratra ny orony rehefa mitsangana; ny mpivoy eo an-doha lakana dia tokony hanana fivoy izay fohifohy kokoa - eo ambanin’ny saoka- mba hahazoana vokatra tsara indrindra.

FITAOVANA

Na dia mahatsapa ho tsy voafetra tahaka ny famehezan’entana am-babena ho faran’izay maivana aza hianao , dia aza hadino fa mety ho mpitondra hianao – izany hoe mitondra ny lakana, ny fivoy sy ny fitaovana rehetra mamakivaky ny ala hianao mandra-paha-tonga any amin’ny toerana manaraka azo ampiasana izany. Noho izany aoka handamina tsara ! Mandehana ami-pahamaivanana arak’izay azo hatao hampamety anao. Rano ao anaty lakana, bibikely, fahasimban’ny lakana, rivotra sy orana no matetika tena zava-misy mahazatra amin’ny fitsangatsanganana an-dakana.

Tsarovy: ny misy lanjany dia tsy izay azon’ny lakanao ho entina, fa izay azonao ho entina.

166

LISITRA FANAMARINANA NY ENTANA AM-BABENA

Fototra Kiraro baoty Ba kiraro Kiraro hoditra maivana (mocassins) Alkola fanadiovana Vovo-javatra ho an’ny tongotra Fitaovana famonjena voina amin’ny ratra na ny kaikitry ny biby Fonosan’entana

Lakozia Fanafody fanadiovana rano Fitaovam-pihinanana (kantinina) Fitondrana rano Lapoaly fanendasana Vilany fandrahoana Kaseraoly Kaopy Lovia aman-tsotro Antsy misy tranony Fanontsanana sira& dipoavatra Fitoeran-tsuramamy Fitoerana fanadiovana Fitoerana dibera Afokasoka Fitaratra Famohana boaty Fatana Fitaina(gaz na elektrika) Fiarovana ny fatana amin’ny rivotra

Trano fandriana Trano lay sy ny fitaovana miaraka aminy Takelaka polyethylène Jiro Kidoro Kitapo fatoriana

Fitafiana Lobaka Jeans Gety avy eo amin’ny lohalika hatreny an-kitrokely Poncho Cagoule Gan-tanana Bandanna ( arakotra ny tenda) Satroka

167

Entana madinidinika Lampy fanao am-paosy&Vatoaratra Vatoaratra fiandry (pile) Takamoa fiandry (ampoule) Solomaso fiarovana amin’ny masoandro Fakan-tsary Sarintany Famataranavaratra Fitaovam-pidiovana Lamba famaohana Menaka ahosotra hiarovana amin’ny hainandro Fanafody ahosotra amin’ny molotra Menaka fanosotra amin’ny tanana Fitaratra famantarana Kiririoka Tady Fitaovana famakian-teny Fandraisana an-tsoratra Penina, pensilihazo Famataranandro Fitsapana hafanana Ribà lamba lamba na metaly na plastika famatoran-javatra Fanjaitra sy kofehy Fingotra famehezana Haranjono Harona plastika Poketram-bola fisaka kely Fanalahidin’ny fiara Radio fanao am-paosy Vatoaratra 9V fiandry Savony Fandroahana bibikely Solomaso fanampiny Borosy nify Famotsianify Fanalana volombava

1. Aparitaho eo amin’ny gorodona ny fitaovana rehetra eritreretinao ho entina2. Fanteno ho atontany samihafa. Fitaovana fampiasa : Fonosan’entana , Lay , Kiraro

baoty, fitafiana, Sakafo, Fitaovam-pahandroana, fatana sy fitaina, fitaovam-pidiovana, fakan-tsary, Horonan-tsary, Vola, ID, sns.

3. Manapaha hevitra ny amin’ny fitaovana tena ilaina amin’ny dianao.4. Manapaha hevitra ny amin’ny entana tavela, aorinan’ny dingana fahatelo,

ny amin’izay tianao ho entina hanaraka anao.5. Mba hampahafinaritra kokoa ny dia aoka ho maivana arak’izay azo atao ny entanao.

Tsarovy

Rehefa mamatratra ny sakafo, hialao ny fampiasana vy fotsy sy ny zavatra tsy azo dorana, sns. Ilaozy ny toerana nilasianao ho tsaratsara kokoa nohon’ny nahitanao azy.

168

ENY AM-PITSANGANTSANGANANA

Rehefa mamatratra ny entanao ao anaty lakana mialohan’ny hilatsahan’ny lakana hianao, aoka ho azo antoka fa mifandanja tsara mba tsy hitongilana ny sambokely. Arakaraky ny maha-maivana ny entana no hahatsara kokoa ny tsy fihontsonan’ny lakana. Afatory amin’ny lakana ny fitaovanao.

Noferana ho 20 km isan’andro ary tsy mba novaina ny dia an-dakana, miankina amin’ny fikorianan’ny rano, ny fitsokan’ny rivotra, ny fisamontan’ny ranomasina, ny fanamboarana izay simba sns. Tsara mandrakariva ny mamela ny rivotra hitondra ny sambo nohon’ny fahasarotana tsy hita mialoha sy ny fiovan’ny toetr’andro.

FITSIPIKY NY FIAROVANA AMIN’NY LOZA

Ny fitsipika goavana amin’ny eny am-parihy dia ny fiala eny anaty rano raha vao misy fampitandremana voalohany fa hisy tafiotra. Tena mampidi-doza mihintsy ny tratry ny rano arahin-tafio-drivotra na dia manana traik’efa aza hianao . Amin’ny fitsangantsanganana amin’ny renirano sy ny ony ny fitsipika hentitra mitovy amin’izany dia : Aza mirotsaka an-drano mandeha raha tsy fantatrao tsara izay ao anatiny. Raha tsy fantatrao ny renirano, dia mialà ary mandehana manaraka ny morona : diniho tsara ny làlanao izay vao mandeha avy eo. Raha tsy misy fisalasala mihintsy, dia mandehana amin’izay. Aza mandeha mihintsy raha tsy misy sarintany sy famataranavaratra. Nosy tsy tambo isaina no manana fomba fiseho hafahafa, ary manjavona eo anoloan’ny masonao ny dian’ny mpandeha.

Ho toy ny zavatra takiana mialoha amin’ny fandehanana an-dakana, ny mpitondra lakana tsirairay dia tsy maintsy mpilomano (Fanekena tsara ho takiana ny fahavitana ny mari-boninahitry ny filomanosana eo antenantenany) ary mahafantatra tsara ny teknikan’ny vonjy aina. Manaova fitsapana ho an’ny matilo tsirairay amin’ny famolavolavolana fivadihana miaraka amin’ny fihaikana ny hanarina ny lakana, manary any ivelany ny rano mihoatra, mamonjy ny morona sy manafoana ny lakana, ho vonona ny handeha somary mandena kely kanefa manao fanandramana ny amin’ny tsy ampoizina.*

FITSANGATSANGANANA AM-BISIKILETY

Ny fanaovana dia am-bisikileta tsara dia tsy maintsy ahitana ny fanazaran-tena izay hiteraka toe-batana mihatsara, fahatokian-tena, fandraisana fanapahan-kevitra ataon’ny tena manokana, fiaraha-miasa amin’ny fiainana ankalamanjana, fifohazana ara-panahy sy ny toetra hafa izay miara-miasa hanatsara ny toetra.

Amin’ny famolavolana izany fihetsehana izany, ny mpitarika dia tokony hahazo antoka fa ny antsipirihany rehetra dia efa nokarakaraina, toy ny fifamotoanana sy ny fiaingana, ny làlana ho aleha, ny toerana mahaliana ho tsidihana, ny halavan’ny dia am-bisikileta, ny drafitry ny fiverenana, ary ny tontolo iainana. Tokony hanome ihany koa ny mpisavalàlana tsirairay na ny mpikambana ao amin’ny staff miaraka amin’ny lisitry ny fitafiana, fitaovana, sy ny fananan’ny tena manokana, ary ny sakafo ilaina izy ireo.

FITSIPIKA FIAROVANA AMIN’NY LOZA

Araho ny lalàna sy ny fitsipiky ny fifamoivoizana, ao anatin’izany ny jiro mena sy ny marika famantarana ny làlan-tokana.

Mandehana ao anatin’ny 1m miala amin’ny sisin’ny arabe Mandeha laharana manjohy tokana Mampiasa ny famantarana mahazatra atao ami’ny tanana rehefa hijanona na

hiodina.

169

Aza mivezivezy eny am-povoan-dalana na eny an-tsisin-dalana Aza manapa-dàlana avy eny amin’ny sisiny ho eny am-pita Aza maneho ny hakingana na ny fahaizana amin’ny fitaingenana bisikileta Tsy olon-droa no mitaingina Manaova mandrakariva satroka fiarovan-doha nahazoana taratasy.

FITSIRIHANA NY BISIKILETA

Tsy maintsy ho tsara ny toe-batana mekanikan’ny bisikileta rehetra ary manana ny toetra manokana iraisana ho fiarovana amin’ny loza, toy ny fitaratra miloko , tsara ny frein sy ny jiro fanazavana rehefa mandeha amin’ny toerana be bozaka na vovoka.

(Aza mandeha amin’ny alina mihitsy)

Ny Mpisavalalana dia tokony ho afaka hanatanteraka fanamboarana sy fikojakojana ny bisikiletany.

LISITRY NY FIKOJAKOJANA

Fahavakisana sy fanoloana ny chambre à air Fanesorana sy fanitsiana ny kodiarana aoriana Fanamboarana ny frein Fanamboarana ny mpamindra sy ny famindrana ny vitesy Fanoloana ny « cable »n’ny vitesy Fanamboarana ny familiana bisikileta (guidon) sy ny « fourche » aloha Ny fitondrana Fanamboarana ny fivoizana « pédale » Fanamboarana ny fipetrahana ho mety tsara

FEHEZAN’ENTANA

Ny fehezan’entana dia tokony ho maivana arak’izay azo atao, ary tokony hiantohan’ny bisikileta fa tsy ho entina eo an-damosin’ny mpitaingina. Raha afatotra amin’ny harona , dia tsy tokony hanelingelina ny fahitana na hampidi-doza ny tsy fifandanjana amin’ny mpitaingina.

FAMPIDIRANA

Manasa antsika Andriamanitra mba hizara ny Vaovao Mahafaly mikasika ny Zananilahy, Jesosy Kristy.

Ilaina lazaina ny tantaran’ny Fiainany, ny Fahafatesany, ny Fitsanganany tamin’ny maty ary ny ny vaovaon’ny Fiaviany tsy ho ela. Afaka mitana anjara toerana manan-danja ny Mpisavalalana amin’ny fitondrana izany filazantsara izany ho any amin’izao tontolo izao.

Ao anatin’ny kilasim-pandrosoan’ny Mpisavalalana maro karazana ny fitaovana mifototra amin’ny Baiboly, izay hamela ny mpisavalàlana hahafantatra sy hampivelatra ny fahalianany amin’ny zavatra momba an’Andriamanitra, ny Fitiavany, ny Fikarakarany, ny Famindrampony, ny Hatsaram-panahiny. Ny fihetsehan’ny kilasy manokana dia natao mba hanampy azy ireo hizara izany fankasitrahana mihamitombo ho an’ny Mpamonjy azy ireo ho an’ny tenany manokana sy amin’ny maha-fikambanana iray azy.

170

FIJOROANA VAVOLOMBELONA

Karazana fandaharan’asa fijoroana vavolombelona samihafa no novolavolaina ary koa tohanan’ny Fiangonana eo an-toerana ary toy izany koa ireo toe-javatra manokana izay mamela ny fahaiza-mikaroka hitady fomba hijoroana vavolombelona, toy ny Krismasy sy Taombaovao.

Nomena ireto manaraka ireto ho toy ny lisitra soso-kevitra ihany. Tsarany hataonao raha manokana fotoana izay azon’ny komity mpanatanterakin’ny mpisavalàlana sy ny Staff hamolavolana fandaharan’asa hijoroana vavolombelona makotrokotroka ho an’ny fikambanana. Na izany aza, zava-dehibe ny mahatsiaro fa ny fijoroana vavolombelona dia tokony ho anisan’ny fomba fiainan’ny Mpisavalalana – fa tsy fandaharan’asa fotsiny! Fomba fiainana ny fijoroana vavolombelona! « Manokana fotoana hanaparitahana ny Teny.»

TETIK’ASAN’NY MPISAVALALANA HO FANOMPOANA NY FIARAHA-MONINA

FANAMPIANA NY ANKIZY

1. Fanamboarana kilalao ho an’ny hopitalyManao sy manamboatra kilalao, toy ny lamba nosesefana hanana endrika biby, gorisa ho ampiasaina any amin’ny hopitaly sy ny toerana fikarakarana ankizy.

2. Oran’ny tantaraNy oran’ny tantara sy ny lalao dia matetika tian’ny ankizy any an-tokantrano sy any amin’ny toerana fanabeazana ankizy.

3. Fanasana ny ankizy kilemaina sy mahantraAzo atao ny mandany ny tontolo andro any amin’ny Ivon-toerana ho amin’ny Fahasalamana sy ny Fahasambarana ho fanampiana ny mahantra sy ny kilemaina. Hanazava ny endriny ny fanasana natao ho azy ireo, indrindra mandritra ny fotoam-pialan-tsasatra.

4. Mandany fotoana miaraka amin’ireo manana aretim-poNy ankizy manana aretim-po dia tsy afa-miala eo am-pandriany . Afaka maka boky asiana sary sy zavatra mahaliana ny Mpisavalalana ho an’ireo ankizy ireo mba hanampy azy ireo handany ny ora haingakaingana kokoa.

5. Ivon-toerana fikarakarana ny ankizy tsy ao an-tokantrano amin’ny atoandroManampy any amin’ireny ivon-toerana fikarakarana ny ankizy tsy ao an-tokantrano amin’ny atoandro ireny dia manome fomba izay hanompoana ny fiaraha-monina, indridra azo ampifandrindrana hifanaraka amin’ny vani-potoana fahavaratra, rehefa manana fotoana betsaka ny Mpisavalalana.

FANATSARANA NY FIARAHA-MONINA

1. Boaty fasiana fakoManangona vata na boaty lehibehibe na karazana fitoeran-javatra hafa mety hanangonana fako any amin’ny faritra fandehanan’ny olona toy ny valan-javaboahary (parc), eny amin’ny sisin-dalana, eny an-tokotanin-tsekoly, sns. (Hamarino any amin’ny tompon’andraikitry ny fanadiovana eo an-tanàna ny vaovao mikasika ny vahaolana amin’ny fanadiovana ny fako sy ny toerana fanangonana azy ireny, sns) Ireny boaty vita amin’ny vyfotsy ireny dia tena manintona raha hahantona na apetraka any amin’ny toerana izay azo antoka

171

hametrahana azy. Miaraka amin’ny fikarohana sasantsasany ny boaty vifotsy sy ny fandokoana dia mety hahazoana fanomezana ho an'ny asa.

2. Fanadiovana làlanaTetik’asa matanjaka eo amin’ny fiandohan’ny lohataona ho an’ny tanora be herim-po izany. Maro ny fandaminana manana tetik’asa ho fiarovana ny tontolo iainana. Manolora Mari-boninahitra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana

3. Fanamboarana ireo toerana manan-tantaraMaro ny fiaraha-monina, izay tena kely, no liana amin’ny fananana tanora hanampy amin’ny fanarenana ireo toerana manan-tantara. Miresaha amin’ny fikambanana mikarakara an’izany eo an-toerana.

4. Fitoeram-boninkazoIzany dia mety hanampy amin’ny fikarakarana ireo làlana malomaloka ao an-tanana ho manintona. Ny Mpisavalalana dia tokony hijery izay ilain’ny fiaraha-monina sy hanatsara ny faritra tsy manintona amin’ny hazo, voninkazo sy hazo madinika. Afaka manome ny herin-tsandriny ny Mpisavalalana, ny tanana no manome izay vola ilaina, ary Mari-boninahitra amin’ny fahazotoana miasa eny ankalamanjana betsaka no azo hatao.

5. Harona fasiam-pako ao anaty fiarabeTetik’asa iray tsotra sy azo ampiharina amin’ny andro rehefa any ivelany ny mpisavalàlana dia ny fanaovana harona fanasiam-pako azo ampiasaina ao anaty fiarabe. Mety ho azo atao amin’ny taratasy na lamba ary misy soratra na fitomboka misy ny anaran’ny fikambanana azo zaraina eny amin’ny tranombarotra, ny banky, sns.

FIAROVANA

1. Boaty ho an’ny voronaNy fanamboarana sy fametrahana Boaty kely ho akany ho an’ny vorona mpirenireny dia mety ho tena tetik’asa ahitam-bokantsoa. Azo atao mandritra ny vanim-potoanan’ny ririnina ireny boaty kely ireny ary zaraina (miaraka amin’ny fanampian’ny tompon’andraikitry ny faritra) amin’ny fiandohan’ny lohataona. Inona no fomba tsaratsara kokoa noho izany hampianarana ny Mpisavalalana ny fanazarana ireny zavaboary ireny ho ao anaty akany?

2. Tranom-borona sy mpamahanaHevitra hafa izay azo atao mandritra ny ririnina mandra-pahatongan’ny lohataona ny fanamboarana tranom-borona sy mpamahana eny amin’ny toeram-pitsangatsanganana sy fitoerana natokana ho an’ny vorona. Hanome toe-javatra azo hararaotina izany hianarana ny toeram-ponenan’ny vorona sy ny fifindrany monina, ary ny lohahevitra hafa mifandray amin’izany.

3. Famafazana voam-boninkazo maniry ho azyAny amin’ny faritra sasany tsy misy voninkazo maniry ho azy, ny fambolena ny voan’izy ireny dia tsy hampiroborobo ny fiarovana azy fotsiny ihany fa hanatsara ihany koa ny faritra voajanahary mifanaraka amin’ny fitomboan’ireny zava-maniry meva ireny.

4. Toeram-pialofana sy fijanonanaNy Mpisavalalana izay miaina any ambanivohitra kokoa dia mety hahazo alàlana hampandroso faritra haolo manamorona ny faritra misy ala, manamboatra

172

fialofana, na toeram-pamahanana, sns. Izao fanekena momba ny fiarovana manaraka izao dia azon’ny Mpisavalàlana ampiasaina:

« Manao fanekena aho amin’ny maha-olom-pirenena ahy ny hitahiry sy hiaro ami-pahatokiana ny fanimbanimbana ny tahiry voajanaharin’ny fireneko- ny tany sy ny mineraly ao aminy, ny alany, rano sy ny zavamanan’aina dia. »

Ny fanofanana amin’ny fiarovana ny zavaboary dia hahatonga ny mpikambana ho afaka ny hiditra ao amin’ny fandaharan’asa toy ny fambolen-kazo, fananganana toerana famahanana ny biby sy ny vorona mikarenjy, fanamarinana ny fikaohan'ny riaka ny tany, sy ny fihetsehana hafa mitovy amin'izany.

FOTOAM-PIALANTSASATRA

Tetik’asa amin’ny Krismasy

Afaka manao zavatra maro mandritra ny fialan-tsasatry ny Krismasy ny Mpisavalalana :

Tetik’asa iray mahafinaritra ny manao sy mivarotra Labozian’ny Krismasy. Mety handroso ho lasa tetik’asa misionera izay homanin’ny fikambanana ho amin’ny Krismasy.(Jereo mari-boninahitra amin’ny fanaovana Labozia.)

Ny fanaovana voninkazo Krismasy dia tena mahafinaritra na manao azy ary ho fanomezana feno fieritreretana omena ireo marary any amin’ny toerana fakàny fialan-tsasatra.

Tetik’asa tsara ihany koa ny fanaovana kilalao. Afaka manangona kilalao tranainy eo amin’ny fiaraha-monina ny mpisavalàlana ary mitahiry ho amin’ny andro Krismasy. Tokony hisy fanasana ho karakaraina izay handraisan’ny ankizy mahantra mpifanolo-bodirindrina fanomezana.

Ny fihirana hira Krismasy ka manao fanamiana avokoa ny rehetra. Tsidiho ihany ireo faritry ny manan-katao ary mihira ho azy ireny ihany koa. Fifaneraserana amin’ny vahoaka tena tsara tokoa izany.

Afaka manomana harona feno sakafo sy manome izany ho an’ireo fianakaviana sahirana.

FAHALALANA ONONY

1. Fandaharan’asa any amin’ny sekolim-bahoakaManomana fandaharan’asa mikasika ny fahalalana onony miaraka amin’ny tomponandraikitry ny sekolim-bahoaka. Aoka hisy mpitsabo Advantista hiaraka amin’ny tarika ary hisy horonan-tsary haseho. Aoka ny Mpisavalalana hanao fanamiana feno sy handray anjara ary hijoro vavolombelona.

2. Dia amin’ny fiara ho an’ny fahalalana ononyAoka hanao dia amin’ny fiara miaraka amin’ny fametahana soratra na sary miraikitra eny amin’ny aro dona eny amin’ny fiara ; Tsidiho ny polisy ; maka sarin’ny Mpisavalalana mametaka « autocollant » eny amin’ny fiaran’olona.

3. Filaharambe ho an’ny fahalàlana ononyRaha azo atao aoka hizotra hamakivaky ny tanan-dehibe ho fanoherana ny zava-maha-domelina, ny paraky sy ny sigara, ny alikaola. Tokony hanao drafitra mialoha miaraka amin’ny manam-pahefana eo an-toerana mba hahazoana alàlana. Sary lehibe (posters) sy marika famantarana no tokony ho entina eo amin’ny toerana eo afovoan’ny tanana.

173

4. Fandraisana anjara amin’ny Plana dimy androAfaka mandray anjara amin’ny fizarana ny fitaovana mandritra ny Plana dimy andro hialana amin’ny sigara ny Mpisavalalana. Afaka manatrika ny fandaharana izy ireo ary hijoro vavolombelona hanamarina ny antony maharatsy ny fifohana ho an’ny olona iray.

5. Fomba fiainana salama sy tomadyMandamina asa ataon’ny isan-tsokajy ho fampiroboroboana ny fomba fiaina ara-pahasalamana. Ny Sampana Fahalalana onony dia afaka manome amin’ny antsipirihany ny fomba handaminana izany asa ataon’ny sokajy izany.

HOPITALY

1. Fanomezana voninkazo sy gazety bokyTena ankasitrahan’ireo marary any amin’ny hopitaly manokana izany. Afaka mandefa taratasy kely miaraka aminy ny Mpisavalalana izay milaza amin’ny marary fa manantena izy ireo fa tsy ho ela intsony dia tsy hisy olona io farafaran’ny hopitaly handriany io.

2. Fitoeran-tsary

Ny hopitaly eo amin’ny toerana misy anao dia mety hila soratra vita printy na sary manintona raha tsy izany ho matroka tsy misy na inona na inona ny efitrano. Mety ho tetik’asa tsy handany vola izany raha ny fikambanana no manao sy mametaka ny sary sy ny fitoerany.

3. Programa an-tsitram-poAnontanio ny hopitaly eo an-toerana mikasika ny programa atao an-tsiram-po. Ireo mpisavalàlana lehibe kokoa dia mety hahita ireo filatsahana an-tsitrapo amin’ny asa fahavaratra ho tena mendrika sy mahafinaritra. Ny fanandramana toy izany dia mety ho fananana hanampy amin’ny asa hatao any aoriana.

MPIRAY TANINDRAZANA ZOKIOLONA

1. Asa fanampianaMiezaha hanampy ireo olona antitra tsy tapaka miaraka amin’ny fiezahana amin’ny asa toy ny fikarakarana tokotany, fanadiovana varavarankely,fanasana ridao, fanamboarana tsotsotra ireo zavatra simba, sns. Misy asa tsotsotra azon’ny zatovo hatao any an-tranon’ny olona antitra. Tena ho ankasitrahana tokoa ireny anjara asa madinika atao amim-pifaliana ireny.

2. Fanomezana amin’ny tsingerin-taonaMangalà lisitry ny tsingerin-taonan’ireo olona marary any amin’ny trano fialana sasatra. Saintsaino ny fahagagana sy fahafinaretana hananan’ny marary rehefa mitondra mofomamy mahafinaritra ho an’ny tsingerin-taonany hianao ! Tafiditra ao anatin’izany ny Mari-boninahitra amin’ny fanaingoana Mofomamy.

TETIK’ASA HAFA AZO HAROSO

1. Ny marenina sy ny tsy maheno tsaraManangona gazety boky ary aoka ny Mpisavalalana hanety ny sary izay hampiasaina amin’ny tabilao any amin’ny sekoly fitsaboana azy ireo, na hametaka ny sary ao amin’ny boky izay hampiasain’ny mpitsabo hampianarana azy hiteny. Resaho ireo ivon-toerana ho an’ny marenina hangalana torohevitra.

174

2. Ireo sembana eo amin’ny fahitanaTetik’asa mahaliana ny fanaovana saribakoly lehibe toy ny olona , mampiakanjo azy ireny sy manome azy ho an’ny sekoly izay manofana ireo ankizy jamba. Ny saribakoly dia fanampiana lehibe amin’ny fampianarana ireo ankizy ireo hampiditra sy hanala ny akanjony.

3. Boky ho an’ny manam-pahefana eo an-tanànaAfaka misafidy Baiboly na boky misionera hafa ny fikambanana ary mitondra azy ireny ho amin’ny manam-pahefana eo an-tanàna arahina dinidinika manokana. Afaka manisy sonia ilay boky ny Mpisavalalana ary manolotra an’izany an’ireo manam-pahefana eo an-tanàna.

4. Mitsidika Fiangonana tsy advantistaAfaka mitsidika fiangonana hafa eo main’ny faritra ny Mpisavalalana manao fanamiana feno, manolotra boky sahaza azy ireo, kanefa tsy maintsy mitandrina tsara mba tsy handratra na hahasorena ny mpitandrina hafa.

Ilaina ny handraisan’ny fikambanana manontolo ny tetik’asa ataon’ny tena manokana. Kanefa ny tetik’asa sasany dia mety ho mahasoa ny fandraisan’anjara manontolon’ny fikambanana, ny fikambanana lehibe dia matetika mahita fa ny fandraisan’anjaran’ny tarika amin’ny programa tetik’asa samihafa no tena mandeha tsara. Ny tohiny manaraka dia ny fanaovan’ny tarika tsirairay tatitra sy fifanakalozan-kevitra, hanome fotoana azon’ny tarika tsirairay hararaotina hizarana ny fihetsiketsehana sy ny fandramana niaraka tamin’ireo mpikambana hafa.

Tsy ireo tetik’asa rehetra ireo dia ho mety amin’ny fikambanana iray. Misy tetik’asa maro hafa izay mety tsy ho voajery teto. Ny fikambanana Mpisavalalana dia tokony hiasa amin’ny tetik’asa izay mifanaraka amin’ny faritra misy azy sy ny filàna manokan’ny fiaraha-monina misy azy . Ny fandaharana ireo toe-javatra miseho (kalendrie) no hilaza izay adidy ho atao amin’ny fotoana manokana. Ny Bokin’ny kilasim-pandrosoan’ny Mpisavalalana dia manana lisitr’ireo hevitra ho amin’ny tetik’asa fanompoana.

TETIK’ASA FIJOROANA VAVOLOMBELONA NATOKANA HO AN’NY MPISAVALALANA

1. Feon’ny tanora zandriny

Io fandaharan’asa tena feno fahombiazana io no hahazoana ny tanjaka sy talentan’ny tanora zandriny lahy sy vavy mba hatao amin’ny ezaka fitoriana filazantsara mifantoka amin’ny tanora zandriny mpamangy izay tonga miaraka amin’ny ray aman-dreniny ho amin’ny ezaka fitoriana ny filazantsara. Ny boky kely manokana izay misy ny drafi-pandaminana, ny resaka atao, ny fanohananaamin’ny alalan’ny zavatra jerena., sns dia misy ao amin’ny departemantan’ny tanora ao amin’ny Federasiona eo an-toerana mba hanampy ny fikambanana Mpisavalalna izany ezaka fitoriana ny filazantsara izany. Tena drafitr’asa mahomby hahazoana fanapahan-kevitra ho amin’ny Batisa, ary ho hitanao fa ny ankamaroan’ny mpitandrina sy ny mpitory ny filazantsara dia fatra-pitia sy mazoto amin’izany. Ny fikambanana sasany dia fantatra tamin’ny fanorenana fiangonana vaovao tamin’ny alàlan’izany ezaka izany.

2. Fianarana Baiboly amin’ny andro fialan-tsasatra

Maro amin’ny Mpisavalalana no mahita ny sekoly biblika amin’ny fialan-tsasatra ho toy ny tena làlana hizaràna ny finoany. Misy zavatra maro izay azon’ny Mpisavalalana hatao

175

ho fanampiana amin’ny Sekoly Biblika amin’ny fialan-tsasatra ; tsara ny hiarahan’ny Sekoly Sabata sy ny Mpisavalalana miasa hanohanana anankiray amin’izany.

Afaka mizara ny fanasana any an-tokatrano eo amin’io faritra io ny Mpisavalalana, na raha tsy misy fanasana voasoratra, ny Mpisavalalana dia afaka mandeha isam-baravarana ary manasa ireo olon-kafa ho tonga ao amin’ny sekoly biblika amin’ny fialan-tsasatra.

Mandritra io sekoly biblika amin’ny fialan-tsasatra., ny Mpisavalalana dia afaka manampy amin’ny fialana hetaheta. Ny Mpisavalalana zokiny kokoa sy ny mpanolo-tsainan’ny tanora zandriny dia afaka manampy amin’ny fampianarana ny kilasy any amin’ny ambaratonga fototra sy ny garabola. Maro amin’ireo Mpisavalalana ao amintsika no tena manana talenta amin’ny taozavatra samihafa. Tsara ny mampiasa izany talenta izany ka asaina miasa hampianatra izany izy ireo. Amin’ny sekoly biblika amin’ny fialan-tsasatra dia ilaina mandrakariva ny fifanampiana amin’ny lalao, ary eo ihany koa dia afaka manampy ny Mpisavalalana.

Ny fotoana takariva famaranana sy fanomezana fanamarinana ho an’ny mpianatra no faratampon’ny tsara indrindra amin’ny sekoly biblika amin’ny fialan-tsasatra.. Amin’io takariva io dia aoka hisy Mpisavalalana anankiroa manao fanamiana mitazona ny faneva, ary avy eo lazao ao amin’ny programa izay ataon’ny Mpisavalalana sy ny tena hitiavan’izy ireo ny fikambanana. Ny zatovovavy dia tokony hilaza izay ataon’ny Mpisavalalana ary hanasa ny tanora zandriny vehivavy hilatsaka ho mpikambana ; ny zatovolahy avy eo dia afaka milaza izay zavatra tiany mikasika ny Mpisavalalana ary miantso ny zazalahy. Ireo Mpisavalalana, tsara tarehy amin’izato fanamiany, dia afaka ihany koa mampandroso olona amin’io takariva famaranana io. Ny fikambanana Mpisavalalana dia fandaharana mahafinaritra atao manaraka ny sekoly biblika amin’ny fialan-tsasatra rehetra. Aoka ny Mpisavalalana hanao fanehoana amin’ny olona miaraka amin’ny Baiboly izay nasiany marika na ny boky « Dia ho ao amin’ny Kristy » . Fianakaviana iray manontolo no natao batisa tao aorinan’ny fanarahana tahaka izany.

3. Sampana Sekoly Sabata Zanany, na Oran’ny tantara

Miaraka amin’ny olon-dehibe izay mitari-dalana, ny Mpisavalalana dia afaka manohy ny asa ao amin’ny sekoly sabata zanany matanjaka. Afaka manome fanasana ataon’ny tenany manokana ho an’ireo tanora eo amin’ny manodidina izay hanaovana ilay sekoly sabata zanany izy ireo.

Afaka manampy ihany koa izy ireo amin’ny fanomezana zava-maneno. Matetika misy iray na maromaro izay afaka mitendry piano amin’ny hira ao amin’ny fanompoam-pivavahana, ny sasany mety hitendry zava-maneno hafa, ary ny sasany mety ho afaka mihira. Ny Mpisavalalana zokiny kokoa na ny mpanolo-tsainan’ny tanora zandriny dia afaka manampy amin’ny filazana tantara. Ny mpitarika ny Mpisavalalana ihany koa dia afaka manao tantara, kanefa tsaratsara kokoa ny hanome ny Mpisavalalana tombontsoa hahafahany hampivelatra ny talentany. Ireo Mpisavalalana ao aminao ireo aza dia mety ho afaka hitana kilasy sasany. Amin’izay fotoana izay dia tokony hisy olon-dehibe hanampy azy ireo amin’ny famolavolana ny lesona hianarana. Ireo izay nampiasa Mpisavalalana ho mpampianatra dia nahita fa tena mahatoky izy ireo ary afaka mahita fanehoana an-tsary sy fanazavana tena tsara tokoa.

4. Fanehoana eo anivon’ny Distrika (Tsenabe eo an-toerana na isam-paritra)

Ny skoto lehilahy, ny vehivavy Mpitarika sy ny fikambanana tanora hafa dia mandray tombontsoa amin’ny alalan’izany amin’ny famelana ny olona hahafantatra izay miseho ao amin’ny fandaminanna misy azy. Ny fikambanana Mpisavalalana dia manatanteraka fandaharan’asa matanjaka indrindra amin’izy rehetra, koa nahoana ny vahoaka no tsy tokony hahafantatra izay ataon’ny Mpisavalalana ao amin’ny Fikambanana misy azy?

176

Zavatra maro no azo tanterahana amin’ny fananganana trano hevan’ny Mpisavalalana. Ny sehatra anehoana ireo fitsipika an-dasy na sehatra manambara ny Mari-boninahitra ao amintsika dia fomba izay ahafahana manorina trano heva anankiray.

5. Filaharam-be amin’ny matso eo an-toerana

Toa ohatran’ny fomba hafahafa ho an’ny Mpisavalalana hizarana ny finoany izany, kanefa tena fomba mahavariana. Na oviana na oviana misy filaharambe henontsika dia tokony hiezaka hanao ny fandaminana isika mba ho maro arak’izay azo atao ny fikambanantsika milahatra amin’izany. Faneva ngezabe no natao miaraka amin’izao soratra manaraka izao:  « Fikambanana Mpisavalalana ao amin’ny fiangonana Advantista_____________________. » Tsy milahatra fotsiny ny fikambanana Mpisavalalana amin’ny matso, fa manana ihany koa ny fanazaran-tena manokana sy ny kalesy mahafinaritra.

Izany no manazatra ny olona fa ny Advantista mitandrina ny andro fahafito dia manana fandaminanana ho an’ny fikambanana tanora. Ary ny vokatr’izany, dia nanana tanora maro isika izay namonjy ny fikambanana Mpisavalalana izay raha tsy noho izany zavatra izany dia tsy ho nandre mihitsy mikasika ny Mpisavalalana.

177

178

FIHETSIKETSEHANA EO ANIVON’NY FEDERASIONA

Andro manokana eo amin’ny fikambanana Mpisavalalana eo amin’ny Federasiona na faritra voatondro ny Tsenaben’ny Mpisavalalana.Matetika io fotoana io no atao amin’ny Alahady ary amin’ny folo ora maraina ka hatramin’ny efatra na amin’ny dimy folak’andro. Asaina ho tonga miaraka amin’ny fanamiana ny mpikambana, mitondra miaraka amin’ny fialam-boly sy fampisehoana , manomana fisehoana isan-karazany, miomana ny hamindra amin’ny matso sy handray anjara amin’ireo fotoana fanehoana fahaiza-manao. ( Jereo ao amin’ ny Boky tari-dalana amin’ny Camporee sy ny tsenaben’ny Mpisavalalana ny antsipirihan’izany fotoana manokana izany. Mifanakalo hevitra ny mpikambana ary miezaka ny handinika sy handanjalanja ny tanjaky ny fihetsehan’ny Mpisavalalana ao anatin’ny faritra. Tombontsoa lehibe hafa amin’izany fotoana manokana izany ny fotoana azon’ny olon-dehibe mpitarika hararaotina ny hahatonga azy ireo hifankazatra sy hanana fifandraisam-po lalindalina amin’ny fanompoana ny tanora zandriny.

Toy ny Camporeee, ny tsenaben’ny Mpisavalalana dia manome tombontsoa azo hararaotina sy hery manetsika ny Mpisavalalana hanao izay tsara indrindra mety ho vitany sy ho voaomana tsara amin’ny fihetsiketsehana samihafa.

Ny Talen’ny fikambanana tanora ao amin’ny Federasiona no tompon’andraikitra amin’ny fandaharana manontolo sy hamaritra ny fotoana, ny lampihazo, ny trano heva, ny mpitsara sy ny toerana hanaovana ny tsenaben’ny Mpisavalalana.

SOSO-KEVITRA HO AMIN’NY TSENABEN’NY MPISAVALALANA1. Lohahevitra

Tokony hanana lohahevitra ny tsenaben’ny Mpisavalalana. Ny fihetsehana rehetra, toy ny trano heva, ny filaharam-be , ny lampihazo, sns dia hatao manodidina ny lohahevitra.

2. Fisoratana anaranaTokony ho tonga amin’ny 8 ora maraina ireo fikambanana ary hitatitra amin’ny filohan’ny tanora ao amin’ny Federasiona ny fisoratana anarana sy ny hofan’ny toerana.

3. Ireo fikambanana vaovaoMaro amin’ny fikambanana vaovao no mbola kivikivy aloha satria tsy manana ny fitaovana rehetra sy ny fanamiana izy ireo. Kanefa amin’ny fanatrehan’izy ireo fotsiny ny tsenabe dia hahazo aingam-panahy goavana sy hevitra vaovao marobe izy ireo izay ho entiny miverina ary hanomboka hanatanteraka izay ao amin’ny fikambanana misy azy.

4. FanamianaNy Mpisavalalana rehetra sy ny mpikambana ao amin’ny Staff dia tokony hanararaotra ny fotoana hanaovana fanamiana feno ho amin’ny lanonam-panokafana sy famaranana. Tokony hanaovana mandritra izany fotoana izany ny fanamian’ny fitondra eny an-tsaha.

179

TSENABEN’NY

5. Mari-pankasitrahanaNy fikambanana tonga eo dia hahazo ny mari-pankasitrahana isan-taona azon’izy ireo izay mifototra amin’ny fomba fanomezana isa apetraky ny Federasiona. Ny mpandray anjara amin’izany fotoana manokana izany dia tokony hiezaka amin’ny fenitra ataon’ny tena manokana fa tsy hifaninana amin’ny hafa. Tokony ho azo hatao ny hananan’ny fikambanana rehetra sy ny olona rehetra mandray anjara ny mari-pankasitrahana.

6. Saina sy fanevaIreo fikambanana dia tokony hitondra ny fanevan’ny fikambanany sy ny sainan’ny tarika tsirairay. Tokony ho entina amin’ny filaharam-be ny saina ka apetraka eo amin’ny faritra natokana ho amin’izany mandritra io fotoana io.

7. Trano heva ho an’ny sakafoHisy toerana omena hanaovan’ireo fikambanana ny trano hevany ho an’ny sakafo. Ireo fikambanana no hamatsy ny sakafo sy ny fitaovana rehetra ilaina toy ny vilia aman-tsotro sns ; tokony ho azo amin’ny vidiny mirary ny sakafo, ary ny fikambanana tsirairay dia tokony hampahafantatra ny Talen’ny departemantan’ny tanora ao amin’ny Federasiona ny sakafo izay nomaniny hamidy. (Ny mambran’ny fiangonana eo amin’ny faritra ary ny mponina eo an-toerana ihany koa dia asaina mba hanatrika ho mpijery sy mpihinana.)

8. MatsoNy matso mandrakariva no zavatra voalohany atao amin’ny fandaharana arahin’ireo fihetsiketsehana samihafa. Ny fikambanana Mpisavalalana dia tokony hanana torolàlana manokana mikasika ny zavatra rehetra tokony hatao sy ny baiko omena ao amin’ny tsenabe, ao anatin’izany ny filaharana.

9. Trano hevan’ny fikambananaNy fikambanana tsirairay dia mety maniry ny hanana trano hevan’ny fikambanana ary haneho eo izay tsara sy mahafinaritra indrindra amin’ny fahaiza-manao sy hakingana. Ny mpitsara dia tokony hamakafaka zavatra maro rehefa mitsara ny trano heva:

Ny endrika ivelan’ny trano heva

Ny endrika ivelany atao indray mijery toy ny hoe mifanentana sy manintona, ny soratsoratra, raha ohatra ka mahatafavoaka ny lohahevitry ny tsenabe amin’ny ankapobeny. Mety hanampy ny Mpisavalalana amin’ny fandaminana sy ny fanomanana ny trano heva ny mpitarika zokiny kanefa tsy tokony hanao ny zavatra rehetra.

Ny fampisehoana ataon’ny Mpisavalalana ao amin’ny trano hevaAo anatin’izany ireo zavatra nangonina, ireo asa fialam-boly, taozavatra asa tanana, Mari-boninahitra, na fampirantiana hafa ny zavatra vitan’ny Mpisavalàlana izay maneho ny lohahevitry ny trano heva. Ireny zavatra nangonina ireny dia tsy maintsy ho zavatra nataon’ny Mpisavalalana ao amin’ny fikambanana.

Ny fampisehoanaMifandray amin’ny zavatra hatao asehon’ny Mpisavalalana amin’io fotoana io amin’ny alàlan’ny trano hevan’ny fikambanana. Tokony hisy

180

ifandraisany amin’ny lohahevitry ny trano heva, ary tsy tokony ho hita miharihary eo amin’ny fampisehoana ny olon-dehibe.

Hevitra maromaro momban’ny trano heva Fahaizana momban’ny zavakanto sy taozavatra: taozavatra vita amin’ny hoditra,

lamba fanehoana sary, hoso-doko, sns. Fahaizana momban’ny zavakanto ao an-tokatrano: fampisehoana nahandro,

fanaovana akanjo, sy petakofehy Fahaizana mekanika Fahasalamana sy siansa: fitaizana sy fitsaboana ao an-tokantrano, vonjy taitra,

fahalàlana mikasika ny hazavana. Zavaboary: Fampisehoana lolo sy bibikely, fanangonana akorandriaka. Asa mahasoa eny an-tokotany : fanehoana karazan-tantely, fanehoana tantely

velona ao anaty trano fitaratra. Fialam-boly: fanehoana fiainana an-dasy miaraka amin’ny olona sasany izay

mamboatra ny lakozian-dasy Vakiteny an-tokotany: Fitantarana tantara, marika famantarana amin’ny alàlan’ny

teny, fanaovana vy very ho an’ny Kristy

Zavatra vitsivitsy fotsiny ihany amin’ireo zavatra marobe azo hatao ireo.

10. FitsaranaLafiny tena manan-danja amin’ny tsenabe io. Tokony hifidy mpitsara ny mpitarika tanora ary haneho azy ireo miraka amin’ny taratasy misy ny torolàlana feno ary mihaona mba hanapa-kevitra ny fomba hitantanana ny fihetsiketsehana samihafa.

11. Soso-kevitra ny amin’ny fandaharam-potoanan’ireo zavatra miseho amin’ny tsenaben’ny Mpisavalalana

6 : 00 - 8 : 00 Fananganana ny trano hevan’ny fikambanana8 : 00 Fisoratana anarana amin’ny trano heva sy ny lampihazo9 : 15 Fisoratana anaran’ny fikambanana9 : 30 Fihaonan’ny filohan’ny Mpisavalalana rehetra10 : 00 Fitsarana ny trano hevan’ny fikambanana11 : 00 Matso lehibe12 : 00 Fisakafoanana01 : 30 Fandaharana ao amin’ny tsenabe*03 : 30 Fandaharana manokana04 : 00 Fanehoana ny mari-pankasitrahana

Ny Federasiona sasany manao io fotoana io ho « andro tsena » toy ny tetik’asa manokana hanangonam-bola- tena nahitana fahombiazana!

181

Ny fihaonamben’ny Mpisavalalana dia fotoana izay hiarahan’ny fikambanana ao amin’ny distrika na Federasiona mivory ny Sabata folak’ando sy / na hariva ho amin’ny fisakaizana sy aingam-panahy masina. Indray mandeha isan-taona no hanaovana ny fihaonam-be ary matetika no hatao amin’ny toeram-pivoriana lehibe toy ny tranom-pokonolona, fiangonana, efitrano malalaka. Tokony hanao fanamiana ara-dalàna ny Mpisavalalana rehetra sy ny Mpitarika ary hitondra ny fanevan’ny fikambanana izay haseho amin’ny lanonam-panokafana. Fotoana tsara indrindra ho an’ny ray aman-dreny, namana sy ny mambran’ny fiangonana io hizarana ny aingam-panahin’ny Mpisavalalana.

Tokony hiainga avy any amin’ny misy azy ireo hamonjy ny toeram-pivoriana izy ireo rehefa vita tanteraka ny fanompoam-pivavahana ara-dalàna ao amin’ny fiangonany. Na izany aza, ireo any amin’ny faritra lavitra ny fandehanan’izy ireo dia mety ho ny Zoma folak’andro ary ny fiangonana mandray ny fivoriana dia tokony hanome izay zavatra ilain’ny fikambanana.

Ny Mpandrindra ny faritra (CZ) no mandamina ny fihaonam-be, izay miasa miaraka amin’ny filohan’ny tanora ao amin’ny Federasiona amin’ny fanaovana ny plana amin’io fotoana io . Tokony hanatrika eo ny filohan’ny tanora ao amin’ny Federasiona, ary raha azo atao ny filohan’ny tanora ao amin’ny Fivondronambe (union) na ny Diviziona dia tokony ho asaina ho vahiny manan-kaja.

SOSO-KEVITRA PROGRAMA HO AMIN’NY FIHAONAM-BE1. Fiomanana

Tokony hampahafantarina mialoha ny daty, ny toerana sy ny fotoan’ny fihaonam-be ny fikambanana rehetra. Matetika manomboka ny Sabata folak’andro amin’ny 3 ora ny fandaharana.

2. Eo am-pahatongavanaHiangona eo ivelan’ny toerana hivoriana ny fikambanana - ny tsara indrindra dia eo amin’ny toerana malalaka eo akaikiny arak’izay atoron’ny filohan’ny Distrika. Avy eo ny fikambanana no hizotra mankao amin’ny toeram-pivoriana ary haka toerana eo amin’ny faritra voatondro. Ny fanevan’ny fikambanana dia tokony hapetraka eo akaikin’ny lalantsara mba ho vonona ho amin’ny lanonanana fanehoana saina.

3. Lanonam-panokafanaTokony ho eny ambony lampihazo na ny polipitra ny mpitari-draharaha rehefa miditra ny fikambanana. Tokony ho eo amin’ny toerany ny sainam-pirenena sy ny sainan’ny Federasiona.

Mamonjy ny lampihazo na ny polipitra ny mpandrindra ny faritra (manao famindra miaramila) ary manolotra ireo fikambanana amin’ny filohan’ny tanora ao amin’ny Federasiona.

Aorian’ny baikon’ny filohan’ny tanora, mamindra mankeo anoloan’ny lampihazo na ny polipitra ny mpitondra ny fanevan’ny fikambanana, ary avy eo manao todika ivoho (manatrika ny mpijery.)

182

FIHAONAM-BEN’NY MPISAVALALANA(rallye)

Amin’izay fotoana izay no mhira ny hiran’ny Mpisavalalana, ary mamerina ny Voady sy ny Lalàna, avy eo dia manolotra vavaka.

Ny mpitondra faneva avy eo manao todika ivoho ary mametraka ny saina amin’ny toerana fihazonana azy eo amoron’ny lampihazo na ny polipitra - eo amin’ny gorodona.

4. Hira sy mozikaAorinan’ny teny fiarahabana tonga soa, dia miara-mihira ny rehetra. Ireo mpitendry zava-manenon’ny Mpisavalalana dia azo amporisihana hanisy tanora iray hitarika ny zava-maneno isan-karazany avy eo aoriana. Manampy ny mpitarika hira ny mitaratra ny tonon-kira eo aloha.

5. Mahafantatra ireo fikambananaIo ampaham-potoana io no fotoana azo hararaotina hahafantarana ny fikambanana tonga eo. Ny filohan’ny fikambanana tsirairay dia antsoina ho eny ambony lampihazo na polipitra ary hilaza ny isan’ny Mpisavalalana avy eo amin’ny fikambanany manatrika eo.

Ireo vaovao hafa mahaliana ihany koa dia azo zaraina, ohatra ny tetik’asa fanompoana manokana, ny fijoroana vavolombelona nataon’ny fikambanana, ny olona manatrika nohon’ny fijoroana vavolombelona nataon’ny Mpisavalalana iray izay niaina ny filamatry ny fikambanana ary nahazo fankasitrahana manokana avy amin’ny fiaraha-monina nohon’ny asa feno herim-po nataony .

6. Lalao ara-BaibolyJereo ny boky tari-dalàna ho an’ny Mpisavalalana mikasika ny lalao ara-Baiboly ho amin’ny antsipirihany.

7. Resaka ifanontaniana sy fotoana voalaminaTonga eo amin’ny fotoana tena manokana isika ankehitriny, fotoana fananraraotra ho an'ny filohan’ny tanora hanontaniana ireo Mpisavalalana (ny zandriny indrindra, ireo vita batisa tamin’ny taon-dasa, ireo tanora zokiny mpanolo-tsaina, sns) mikasika ny tombam-bidy ara-panahin’ny Mpisavalalana ho azy ireo.

Mety ihany koa ho fotoana izany hanaovan’ny Mpisavalalana fanapahan-kevitra ny hanolotra ny fiainany ho an’i Jesosy Kristy io . Izany resaka ifanontaniana fohy izany dia azo elanelanelana fotoana voarindra masina ataon’ny tsirairay na tarika madinika ao amin’ny Mpisavalalana.

8. TantaraNy faratampon’ny fandaharana amin’ny folak’andro dia ny tantara iray izay azo hanandratana ny idealin’ny Mpisavalalana. Afaka mifanindry amin’ny fotoana famaranana ny Sabata ihany koa io.

9. Fiaraha-misakafo am-pirahalahianaAmin’ny fotoana sasany dia mitohy mandritra ny alina ny fihaonam-be. Raha izany, ireo fikambanana dia amporisihana mba hitondra sakafo hiaraha-mihinana ny hariva ao amin’ny fikambanana na ny tarika rehetra. Tokony ho tarihana amin’ny fomba milamina izany sakafo izany.

10. Ireo tatitry ny fikambananaAngamba ny tena faratampon’ny fandaharana ao ami’ny fihaonam-be dia nireo tatitry ny fikambanana.

Ny fikambanana tsirairay dia tokony ho tonga miaraka amin’ny tatitry ny fihetsiketsehan’ny fikambanana omena ao anatin’ny folo ka hatramin’ny dimy

183

ambin’ny folo minitra. Tokony omena amin’ny fomba tia karokaroka izany tatitra izany ary tafiditra ao anatin’izany ny mozika, ary toy izany koa ny sary, ny sarimihetsika, ny video, ny zavarta henoina sy jerena na ny tantara fohy sy hatsikana.

11. Fampahafantarana ataon’ny federasionaEo am-pamaranana ireo tatitry ny fikambanana, ny filohan’ny tanora eo amin’ny Federasiona sy ny mpandrindra ny faritra (CZ) dia afaka mizara ny tatitr’ireo toe-javatra malaza teo amin’ny faritra, ohatra , Camporee, tsenaben’ny sary, na fampahafantarana ireo fandaharan’asa ho avy.

12. Lanonam-pamarananaNy lanonam-pamaranana no hamaranana ny fihaonam-be. Ireo mpitondra ny sainan’ny fikambanana mamerina amin’ny toerany ny saina ary maneho azy ireo ho amin’ny vavaka famaranana. Dia omena làlana handeha ireo fikambanana.

Ny camporeen’ny Mpisavalalana dia fotoana manokana azo araraotina rehefa ireo fikambanana avy any amin’ny Federasiona manontolo na ny distrika iray no tonga miaraka mandritra ny fe-potoana roa andro na mihoatra, hisian’ny fisakaizana, aingam-panahy ary ifanakalozan-kevitra sy traik’efa amin’ny fahaiza-manao amin’ny filasiana sy ireo fihetsiketsehana hafa amin’ny asa fanompoan’ny tanora zandriny. Ny fikambanana tsirairay dia tokony hanana fitaovana feno hikarakarany ny tenany eo amin’ny fe-potoana voatondro - Trano lay, ny fitaovam-patoriana, ny fitaovam-pahandroana, ny sakafo sy ny fitaovana hafa izay ilain’izy ireo. Izany no faratampon’ny fanofanana izay miha-mandroso eo amin’ny faritra izay manjary afaka mikarakara ny tenany amim-pahaleovan-tena izy ireo.

Tokony ho tany madio ny faritra izay hanaovana camporee ahitana rano sy farafaharatsiny toeram-pidioavana sy fivoahana ary fanariam-bako izay azon’ny mpilasy amboarina haingana. Nireo fikambanana dia tokony hitondra ny zavatra rehetra izay ho ilainy ary omena faritra voatokana izay hametrahan’ny fitaovam-pilasiany. Fampisehoana ny fomba fananganana fatana, fahandroana, famantarana, vonjy taitra, vona, mety hahafinaritra ny filaharana sy ny fanazaran-tena. Ny afon-dasy fisakaizana no tokony hanetriketrika, ny fanompoam-pivavahana no hampiray ny tarika amin’ny endrika ara-panahy. Io angamba no tendrony avo indrindra amin’ny fihetsiketsehan’ny Mpisavalalana. Tokony ho tanjona ho tratrarin’ny fikambanana rehetra ny ho vonona amin’ny fandraisana anjara amin’ny Camporee.

Ny filohan’ny tanora ao amin’ny Federasiona no tompon’andraikitra amin’ny fandaminana ny Camporee sy hamaritra io toe-javatra io, ny toerana sy ireo fihetsiketsehana. Tokony hiainga avy any amin’ny biraon’ny Federasiona ny torolàlana momban’ny toerana, ireo zavatra hiseho sy izay azon’ny fikambanana antenaina hatao mba handraisany anjara amin’ny fandaharana.

Ny camporee rehetra dia tokony hanana lohahevitra, ary ny fihetsiketsehana rehetra dia tokony hiompana amin’io lohahevitra io mba hahatonga ny Mpisavalalana tsirairay hahatsiaro ny lesona ara-panahy avy ao amin’ny Baiboly, avy amin’ny zavaboary sy ny tantaran’ny fiangonana.

184

CAMPOREEN’NY MPISAVALALANA

Ny fikambanana Mpisavalalana dia tokony hanangana ny fandaharan’asany ary mihazoana ao an-tsaina ireo toe-javatra hiseho sy ny fahaiza-manao ilaina mba handraisana anjara amin'ny Camporeen’ny Mpisavalalana.

Anisan’ireo programa manetriketrika ao amin’ny Camporeee ireo fampisehoana. Ny Mpisavalalana tsirairay dia te-hanao izay tsara indrindra mety ho vitany ho an’ny fikambanana. Ny fifaninana dia tokony ho amin’ny fenitra napetraky ny tena fa tsy amin’ny samy fikambanana. Mba hampidirana tsikelikely ao an-tsaina ny dikan’ny fandraisana anjara izay hiezahan’ny tsirairay hifaninana amin’ny tsara vitany omaly fa tsy hifaninana amin’ny Mpisavalalana namany na ny fikambanana hafa ; ny fametrahana ny fenitry ny tena manokana no hialana amin’ny toe-javatra izay fikambanana iray ihany no afaka manana ny toerana voalohany. Izany no manome ny fahazoan’ny olona maromaro na ireo fikambanana hahavita na inona na inona mari-pankasitrahana omen’ny Federasiona .

Amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra miseho, ny camporeee dia hatao mandritra ny faran’ny herinandro. Raha azo atao, ireo klioba dia tokony ho efa tafapetraka mialohan’ny Sabata ary ho faranana ara-potoana ny fandaharana mba hahatonga azy ireo ho afaka hody soa aman-tsara.

Ireto no tokony ho hita ao amin’ny Camporeen’ny Mpisavalalana:

Fotoana hilasiana, hahandroana sy hatoriana eny ivelany an-kalamanjana. Fotoana hilalaovana, hanaovana fisantarana sy hikarohana zavatra tsy mbola

fahita. Fotoana hanaovana dia an-tongotra sy fitsangantsanganana eo anivon’ny

zavaboary izay tontolon’ny fanjakan’ny zavaboarin’Andriamanitra? Fotoana hianarana fahaiza-manao sy hakingana, hafanam-po amin’ny asa, lalao sy

fisakaizana miaraka. Fotoana izay hanatonana akaikikaiky kokoa an’Andriamanitra, Ilay Mpahary

Lehibe ireo zavatra rehetra manodididna antsika.

IREO ZAVATRA TAKIAN’NY CAMPOREEE

Ny fandefasana ara-dalàna mialoha ny taratasy mirakitra ny zavatra takiana hanatrehana ny Camporee amin’ny alàlan’ny taratasy filazam-baovao manokana ho an’ny Mpisavalalana dia manaisotra ireo olana ara-pandaminana. Ireto manaraka ireto no modely amin’ny torolàlana sy ny zavatra takiana amin’ny antsipirihany. Azo amboarina hifanaraka amin’izay sahazan’ny manodidina ny camporee tsirairay.

Ireo Zavatra takiana

FANDAMINANA NY KLIOBA

1. Amin’ny ankapobeny ny vola aloa amin’ny fisoratana anarana ho an’ny Mpisavalalana tsirairay sy ny mpikambana ao amin’ny Staff dia natao hanampiana ny fandoavana ny vola lany amin’ny fanofana toerana sy ireo zavatra nilaina ary ny sandan’ireo fandaharana nandaniam-bola.

2. Ny Mpisavalalana rehetra dia tsy maintsy milasy isan-tarika amin’ny alàlan’ny klioba.

3. Ny tarika tsirairay dia tsy maintsy manana olon-dehibe mpanolo-tsaina.

4. Ny tarika iray feno dia tsy tokony hihoatra ny Mpisavalalana valo.

5. Ireo tarika dia tsy maintsy lehilahy daholo na vehivavy daholo fa tsy mifangaro. Tsy maintsy misaraka ihany koa ny lain’ny lehilahy sy ny an’ny vehivavy.

185

6. Ny tsirairay avy amin’ireo tarika dia tsy maintsy anisan’ny fikambanana mavitrika hatramin’ny voalohan’ny taona hitsahina. (Ireo Mpisavalalana mitoka-monina dia azo akambana amin’ny klioba iray na mamorona tariky ny Federasiona/Misiona)

7. Manohanana ny tenany ny klioba tsirairay. Midika izany fa ny klioba tsirairay dia hanana ny sakafony manokana, ny fitaovam-pahandroana, ny fatoriana, ny trano lay, ny latabatra sy ny zavatra rehetra ilaina ho amin’ny Camporee. Ny Staff irery ihany no afaka mampiasa fitaterana mandeha amin’ny maotera sy ny fanamorana ny fahandroan-kanina.

8. Ny fikarakarana ny sakafo dia azon’ny isan-tarika na isaky ny klioba hatao.

9. Ireo klioba no mandamina ny filasiana. Ny klioba tsirairay dia tompon’andraikitra amin’ny ny fandaminany ny tanorany mba hilasy amin’ny toerana misaraka.

10. Tsy maintsy mandray ny andraikitra feno ny mpanolo-tsaina iray amin’ny tarika ao amin’ireo Mpisavalalana ary tokony hiaraka amin’izy ireo amin’ny fotoana rehetra.

11. Andraikitry ny filohan’ny tanora ny manome ny torolàlana amin’ny antsipirihany sy ny faritra natokana hilasian’ireo fikambanana rehefa tonga eo amin’ny Camporee izy ireo.

12. Tokony hisy fitsirihana ho atao eo amin’ny faritra hilasiana. Ireo trano lay sy ny fitaovana rehetra dia tsy maintsy milahatra tsara amin’ny fomba milamina sy mahafa-po.

13. Ny klioba tsirairay dia tsy manana antoka amin’ny loza tampoka mba hahatonga ny Mpisavalalana tsirairay sy ny mpikambana ao amin’ny staff ho voaaro.

14. Ireo klioba dia tokony hitondra ny sainany sy ny sainam-pirenena azy manokana

15. Ireo klioba no tompon’andraikitra amin’ny fitaterana mankao amin’ny lasy sy miala avy eo. Tokony hisy fitandremana fatratra ho ampiasaina amin’ny fisafidianana ny mpamily izay tokony ho matotra sy mahatsiaro andraikitra. Tokony ho tsara ny fitaovana rehetra ary tokony hialana ny fiara feno be loatra. Ny fiara rehetra sy ireo Mpisavalalana dia tokony hanana fiantohana ara-dalàna.

16. Ireo klioba dia tsy tokony hitondra biby fiompy na bisikileta misy maotera, ny motosikileta na kalesin-tsoavaly, sns mankany amin’ny Camporee.

17. Tokony hanana olona iray ho tompon’andraikitra amin’ny amin’izay ilaina eo amin’ny fitsaboana sy ny vonjy taitra. (Ny foibem-pitondrana ny camporeee ihany koa dia manana staff miandraikitra ny fahasalamana amin’ny zavatra tena ilaina.)

ZAVATRATAKIANA AMIN’NY TARIKA TSIRAIRAY

1. Mitondra ny sainan’ny tarika

2. Mitondra angady anankiray

3. Mitondra famaky anankiray sy antsibe roa (isafidianana )

4. Mivatsy fialofana ara-dalàna ho an’ny Mpisavalalana tsirairay – azo entina daholo rehefa karazana trano lay.

5. Manomana faritra ho an’ny fatana fahandroan’ny sokajy.a. Ireo karazana fatana

186

b. Ny kitayd. Coleman

6. Famonoana afo

7. Fitaovana amin’ny vonjy taitra

8. Manana latabatra norariana miaraka sy nataon’ny Mpisavalalana (azo isafidianana)

9. Mivatsy sakafo ampy ny tarika iray manontolo. Tokony ho voalamina sy homanina ny sakafo mba hifandanja tsara. Tsy misy sakafo nofom-biby mahazo alalana ao amin’ny Camporee. Ny sakafo dia tokony ho handrahoin’ny tarika na ny klioba. Ny mpanolo-tsainan’ny tarika dia tokony hanoro hevitra sy handamina dieny voalohany miaraka amin’ny mpikambana ao amin’ny tarika ny fomba tena tian’izy ireo hikarkarana ny sakafo sy ny fandrahoana. Tokony homena andraikitra voafaritra tsara ireo Mpisavalalana ary tazonina ny fandaharam-potoana ho an’ny sakafo sy ny adidy ao an-dasy.

ZAVATRA TAKIANA AMIN’NYMPISAVALALANA TSIRAIRAY

1. Ho Mpisavalalana manana fomba fiaina tsara sy ara-dalàna ary mpikambana ara-dalàna ao amin’ny fikambanana Mpisavalalana farafahakeliny telovolana

2. Manana fanamiana ara-dalàna, ao anatin’izany ireo marika famantarana rehetra mipetraka amin’ny toerana sahaza azy.

3. Anisana tarika iray feno.

4. Mihazona fomba fiasa sy fitondran-tena mahafa-po any an-tokatrano, any an-tsekoly, ao amin’ny sekoly sabata sy ny fikambanana Mpisavalalana. Manana fanamarinana ara-dalàna mikasika an’izany avy any amin’ny ray aman-dreny, mpampianatra any an-tsekoly, ny mpampianatra sekoly sabata sy ny mpanolo-tsainan’ny Mpisavalalana.

5. Hisy toe-javatra izay hahafahan’ny zazavavy manao ny fanamiana fitondra eny an-tsaha na ny kilaoty lava an’ny Mpisavalalana. Tsy tokony havela hanao kilaoty fohy (short) izy ireo.

6. Manana fitaovana fatoriana ara-dalàna.

7. Mitondra antsy fanao am-paosy

8. Manana jiro fanao am-paosy

9. Ao anatiny ny Baiboly sy ny lesona sekoly sabata

10. Mitondra fitaovam-pidiovana, ao anatin’izany ny lamba fisolo, lamba fisasana, lamba famaohana, fihogo, borosy nify sy famotsianify.

11. Manana atin’akanjo ara-dalàna sy akanjo ambony mifanaraka amin’ny toetr’andro eo an-toerana, toy ny akanjo aro orana, satroka aro orana, kiraro fingotra ivelan’ny tena tena kiraro ho fiarovana amin’ny rano sy ny fotaka ary kiraro baoty.

12. Mitondra fitaovam-pihinanana toy ny antsy, sotro rovitra, sotro, kaopy, vilia.

13. Tafiditra ao anatiny koa ny rakotra plastika avelatra amin’ny tany ho an’ny kitapo fatoriana.

187

ZAVATRA FANAMPINY MANAN-DANJA AMIN’NY CAMPOREE

Afo1. Tokony eo amin’ny faritry ny lasy irery ihany no hampirehetana afo (raha azo atao).

2. Tsy maintsy omena fampitandremana ireo Mpisavalalana fa eo am-patana ihany no mahazo mandrehitra afokasoka.

3. Tokony ho diovina 3 metatra manodidina ny fatana.

4. Tsy maintsy dorana ny fakofako rehetra na hatao ao anatin’ny vata fanariam-pako.

5. Tsy maintsy vonoina avokoa ny afo rehetra mialohan’ny handaozana ny toeram-pilasiana

Fiarovana ny zavaboary1. Tokony handao ny toeram-pilasiana ny Mpisavalalana ary tsy mamela marika ny

fandalovany teo.

2. Amporisihana ieto zavatra manaraka ireto amin’ny fanariam-pako:a. Mifidy toerana mafanaraka amin’izany farafahakeliny 15 metatra miala amina

rano rano mandeha.

b. Manao lavaka eo ho eo amin’ny 25sm ny savaivony ary tsy mihoatra ny 20 sm ny halaliny, mba hijanona eo amin’ny faritra biolojika amin’ny soson’ny tany. Tehirizo ny ranon-tany na ny baingan-tany mbola misy bozaka..

d. Rehefa avy nampiasaina, totory ny lavaka amin’ny ranon-tany ary avereno ho eo amin’ny toerany ny baingan-tany mbola misy bozaka. Ny natiora no hanao ny sisa ao anatin’ny andro vitsivitsy.

3. Ny filohan’ny fikambanana Mpisavalalana dia tokony hihevitra ny fomba hamatsiana hazo, omena torolàlana ireo Mpisavalalana tsy hanimba ny ala sy ny faritra hilasiana.

4. Tokony ho ampianarina ny mpisavalàlana rehetra ny tokony ho fiarovana ny zavaboary sy ny tontolo iainana. Amporisihana ny Mari-boninahitra amin’izany faritra izany.

Fitandremana ny Sabata

1. Ny mpitarika dia tokony hahafantatra fa hijery azy ireo ny tanora ary hiezaka ny hanahaka izay teny sy zavatra rehetra ataony. Tsy tokony hitarika ny tanora handika ny Sabata izy ireo amin’ny alàlan’ny asa, teny na ny ohatr’izy ireo.

2. Tokony ho tandremana tsara ny fanombohana sy ny famaranana ny Sabata, izay tena manan-danja amin’ny Tompo. Aoka isika hiambina azy roa toy ny eo amin’ny fiainantsika. Mialohan’ny hilentehan’ny masoandro dia tokony ho voatsangana avokoa ny trano lay rehetra ary vonona ho amin’ny Sabata ny zavatra rehetra .

3. Mandritra ny Sabata dia tokony ho jerena ny tanora mba tsy hitoratora-bato na antsy, hihira ny hiran’izao tontolo izao, lalao sasany tsy mifanaraka amin’ny Sabata sns. Ho mora kokoa ny fifehezana io faritra io raha fenon’ireo fihetsehana hafa ny fandaharam-potoana.

188

4. Tokony ho alamina ireo fihetsiketsehana mba ho ao anatiny ny afon-dasy amin’ny zoma hariva, Sekoly Sabata, fanompoam-pivavahana, ny fandaharam-potoana amin’ny folak’andro, afon-dasy amin’ny Sabata hariva. Tokony ho maro karazana ny fandaharam-potoana mba ahazoan’ny tanora mahita ny zavaboary.

5. Ny klioba sy ny tarika dia tokony hamolavola zavatra amin’ny fotoana malalaka- Ny fanompoam-pivavahana filentehan’ny masoandro amin’ny Zoma sy ny Sabata, fihetsehan’ny fikambanana amin’ny Sabata folak’andro toy ny Fitsangatsanganana eo anivon’ny zavaboary, fotoana hitantarana tantara, na fihetsehana hafa mahaliana amin’ny Sabata. Tokony hanao ezaka manokana hahatonga ny Sabata ho fotoana tsara indrindra amin’ny Camporee, amin’ny alalàn’ny fikarokarohana hevitra ho amin’ny fanompoam-pivavahana.

6. Ny Mpisavalalana rehetra sy ny mpikambana ao amin’ny Staff dia tokony ho amporisihana handray anjara amin’ny fivoriana rehetra sy ny fihetsiketsehana rehetra.

7. Tsy maintsy miaraka amin’ny tarika ireo mpanolo-tsaina mandritra ny fivoriana rehetra sy ny fiketsiketsehana rehetra.

189

SOSO-KEVITRA AMIN’NY FOMBA FIPETRAKY NY LASY

Soso-kevitra ihany ireto hahatonga ny lasinao holamina sy hitovy. Ampiasao ny drafitry ny tenanao manokana, kanefa aoka ho feno faharanitan-tsaina izany.

Saina

190

IREO TALE

Faneva Faneva

Lehilahy

Vehivavy

IREO TALE

Saina

191

FanevaFaneva

Zaz

alah

y

Zaz

avav

y

ANDRON’ NY MPISAVALALANATANJONA KENDRENA

Isan-taona ny foibe maneran-tany dia manondro Sabata iray ho andron’ny Mpisavalalana, mba ho tandreman’ny fiangonana Advantista mitandrina ny Andro Fahafito rehetra miaraka amin’ireto zava-kendrena manaraka ireto.

1. Hanome fankasitrahana amin’ny fomba ofisialy sy hamporisihana ny fikambanana Mpisavalalana ao amin’ny fiangonana eo an-toerana

.2. Hampahafantatra tsara ny fiangonana miaraka amin’ny fijerena ireo zavatra maro

azon’ny fikambanana Mpisavalalana atolotra ho fampivelarana ny tanora zandriny ao amintsika.

3. Hamporisika ny fiaraha-miasa bebe kokoa sy fifanohanan’ny fikambanana Mpisavalalana eo an-toerana sy ny fiangonana .

4. Hampiditra mpikambana fanampiny ao amin’ny Staffn’ny Mpisavalalana .

5. Hanome ny fikambanana Mpisavalalana ny fahatsapana lehibe fa anisan’ny fiangonana izy amin’ny alàlan’ny fandraisany anjara mavitrika ao amin’ny fotoam-pivavahana.

6. Hanome fotoana azon’ny fiangonana hararaotina hanomezana fanampiana ara-bola misimisy kokoa ho an’ny fikambanana amin’ny alàlan’ny fanomezana fanatitra manokana ho an’ny Mpisavalalana mandritra ny fotoam-pivavahana. Arakarak’izay tapaky ny komitin’ny fiangonana eo an-toerana, fa ny fanatitry ny fiangonana amin’io andro io mety ho an’ny fikambanana Mpisavalalana eo an-toerana .

MAMOLAVOLA NY FANDAHARAM-POTOANAMba hahatratraran’ny Andron’ny Mpisavalalana ireo tanjona kendrena eo ambony

ireo dia zavatra tsy maintsy hatao ny famolavolana ny fandaharam-potoana amin’ny antsipirihany rehetra. Indreto ary soso-kevitra vitsivitsy hanatsarana ny fandaharam-potoana.

1. Ny ankamaroan’ireo pasitora dia mpamolavola fandaharam-potoana mandritra ny fotoana lava. Mifandamina amin’ny pasitora ho an’ny andron’ny Mpisavalalana volana vitsivitsy mialoha.

2. Mifanakaloza hevitra miaraka amin’ny Staffn’ny fikambanana mikasika ny andron’ny Mpisavalalana ary mandraisa fanapahan-kevitra ny amin’ny fandaharam-potoana tsara indrindra. Miasa ho toy ny ekipa anankiray.

3. Asehoy ny pasitora ny fandaharana miaraka amin’ny filazalazana feno. Angataho ny soso-keviny sy ny fiaraha-miasa avy aminy.

4. Ento eo amin’ny komitin’ny fiangonana ny fangatahana mba hahazoan’ny Mpisavalalana ny fanatitra sy hahazoan’ny Mpisavalalana manao ny fandraisana sy fametrahana ny olona amin’ny toerany.

5. Hampandreneso ireo ray aman-dreny, ny mambran’ny fiangonana sy ny mpitan-tsoratry ny filazam-baovao ao amin’ny fiangonana.

192

6. Manomboha manofana ireo mpandray anjara, ireo mpitana faneva sy ny mpandaha-teny. Tsarovy fa manao fisehoana ny fikambanana Mpisavalalana.

7. Ny ankamaroan’ny fiangonana dia tsy mahafantatra ny hiran’ny Mpisavalalana, ny voady na ny lalàna. Noho izany, manaova printy dika mitovy azy ireny ao anatin’ny taratasy filazam-baovaon’ny fiangonana.

8. Asehoy ao amin’ny taratasy filazam-baovaon’ny fiangonana ny fotoana tokony hitsanganan’ny fiangonana. Ary koa anaovy filazana mandritra ny fotoanan’ny asa fitoriana ataon’ny tena manokana izay mety ho fiovana amin’ny fizotran’ny fotoam-pivavahana.

9. Tokony hirindra tsara ny fandaharana fa tsy hitarazoka. Raha vao tononina ny fandaharana manaraka dia tokony handeha avy hatrany ny mpandray anjara.

10. Manao fampiharana indray mandeha farafaharatsiny amin’ny fidirana maina ho ao am-piangonana, ny fangalana ny toerana, ny famerenana ny voady sy ny lalàna, ny toerana hametrahana ny saina sy filaharana rehefa mivoaka.

11. Ireo toerana izay tokony hitoeran’ny vondrona maromaro na ny tsirairay dia tokony ho marihana amin’ny tsaoka na zavatra hafa.

12. Tsy maintsy ho faritana manokana izay « ilain’ny fikambanantsika ». Lazao amin’ny mpiangona mazava tsara izay ilain’ny fikambanana sy ny fomba hitadiavam-bola amin’izany. Ny dolara iray isan’olona dia hahafahan’ny fikambanana hanao an’itsy sy iroa. Tokony hatomboka amin’ny fananana efitrano iray ny ezaka, foibe toerana ho an’ny fikambanana, trano lay ho amin’ny filasiana, ary toy izany hatrany.

13. Ireo mpitarika dia tokony hanana fahatokiana amin’ny fanehoana ny fandaharana. Ny fialan-tsiny dia maneho ny tsy fahampian’ny fanomanana.

14. Aoka hanasa mpandaha-teny tsara mba haneho ny hafatra. Hampientanentana tokoa ny hanasa ny filohan’ny tanora ao amin’ny Federasiona. Mety hanana fandaharam-potoana hitory teny volana vitsivitsy mialoha izy, koa aoka ho asaina enim-bolana na herintaona mialohan’ny fotoana. Mety ho ilaina ny hanao ny andron’ny Mpisavalalana amin’ny Sabata hafa. Miaraha miasa ety dia ety amin’ny pasitoranareo amin’io ampaham-pandaharana io. Kanefa tsaratsara kokoa raha manana ankizy mpitoriteny ny fikambananareo;  ampiasao izy ireo ; raha tsy izany, manasà anankiray avy any amin’ny fikambanana namana hafa.

Eo amin’ny takila manaraka ny filazalazana ny antsipirihan’ny fandaharam-potoana, ny iray amin’ireo dia tokony ho sahazan’ny fiangonanao. Azo antoka ny fahombiazana raha arahana ami-pahatokiana ny torolàlana.

193

ANDRON’NY MPISAVALALANAFANOMPOAM-PIVAVAHANA N° 1

Feon-kira fidirana (Mangina, Mangina)

Fidiran’ny mpandraharaha

Vavaka mangina

**Salamo

**Derainay hianao ry Ray

**Fanehoana ny isan’andiany

Miditra ireo mpisavalàlana ary maka toerana

Voady sy lalàna

Fametrahana ireo saina

Miverina mipetraka ireo arovoninahitra

Mipetraka ny mpivory sy ireo mpisavalàlana

Vakiteny: I Timoty 4 :12

Hira

Vavaka: mandokalika ny rehetra

Fanatitra

Feon-kira manokana

Tatitry ny Mpisavalalana sy ny filohan’ny fikambanana

Toriteny: Pasitora, ankizy kely mpitoriteny , na vahiny nasaina

Hira

Tso-drano

Feon-kira fivoahana

**Mitsangana ny mpivory

* Azon’ny Mpisavalalana tarihina ihany koa ny Sekoly Sabatan’ny lehibe

194

ANDRON’NY MPISAVALALANAFANOMPOAM-PIVAVAHANA N° 2

Feon-kira

Asa nataon’ny tena manokana…….Fanandramana misionera nataon’ny Mpisavalalana

Fidirana……………………………Ireo Mpandraharaha, Filoha, Mpisavalalana

Vavaka mangina……………………(Mandohalika ny eny anoloana) Antokom-pihira

Salamo……………………………..Mpisavalalana

Derainay Ianao ry Ray

Fametrahana ireo faneva…………….Ireo mpitondra faneva

Fiarahabana………………………….Pasitora

Vakiteny: I Timoty 4 :12……………Mpisavalalana

Hira

Vavaka……………………………….Mpisavalalana roa

Hiran’ny Mpisavalalana………………Ireo Mpisavalalana

Tatitry ny zavatra niseho……………..Ireo Mpisavalalana

Lalàna sy voady………………………Miara-miredona ny Mpisavalalana

Feon-java-maneno manokana………..Mpisavalalana maromaro

Tanjon’ny Mpisavalalana…………….Filohan’ny fikambanana

Fanatitra

Toriteny………………………………Pasitora, ankizy, na vahiny nasaina

Hira

Tso-drano

Fivoahana…………………...Ny mpandraharaha sy ireo filoha

Ny mpitondra faneva

Staff

Ireo tariky ny Mpisavalalana sy ny ireo mpanolo-tsaina

Ny mpivory

195

ANDRON’NY MPISAVALALANAFANOMPOAM-PIVAVAHANA N° 3

Feon-kiraFotoanan’ny asa misionera nataon’ny tena manokanaMiditra ny mpandraharaha*Filaharana: «  Jesosy no miantso izao » Orga, piano, trompetra*Filaharan’ny fidirana:……………....Mpitondra faneva

Ireo filohaStaffTariky ny Mpisavalalana

*Voadim-panekena amin’ny Baiboly sy ny saina*Fametrahana ny saina sy ny faneva*Salamo Fiarahabana (Fanehoana ireo filoha)………….………PasitoraVakiteny: 1Timoty 4 :12………………………………MpisavalalanaHiran’ny Mpisavalalana……………………………….Ny Mpisavalalana & ny mpivoryVavaka………………………………………………...MpisavalalanaFeon-java-maneno manokanaAntokom-pihiraTatitry ny Mpisavalalana………………………………MpisavalalanaVoady………………………………………….……….Mpisavalalana« Midika inona amiko ny Mpisavalalana»….………….MpisavalalanaLalàna…………………………………………………..Mpisavalalana« Nahoana aho no Mpisavalalana»……………………..MpisavalalanaIreo tanjona sy filàn’ny fikambanana…………………..Filohan’ny fikambanana, mpanolo-tsaina, na Mpisavalalana

FanatitraFeon-java-maneno manokana…………………………Mpisavalalana maromaroToriteny………………………………………………..Pasitora,Tale, Vahiny nasaina,

ankizy mpitoritenyHiraTso-dranoFivoahana: « Ry miaramila mandrosoa izao» Orga sy piano

Filaharan’ny fivoahana……………………………..Mpandraharaha sy ireo filohaMpitondra fanevaStaffIreo tarika Mpisavalalana sy ny mpanolo-tsainaNy mpivory

*Mitsangana ny mpivory

196

ANDRON’NY MPISAVALALANAFANOMPOAM-PIVAVAHANA N° 4

Feon-kira fidirana (Mangina, mangina)

Fidiran’ny mpandraharaha

Salamo & Derainay hianao ry Ray

Filaharana:  « Ry miaramila mandrosoa izao »

(Miditra ny Mpisavalalana tarihin’ny mpitondra ny fanevam-pirenena

sy ny fanevan’ny Mpisavalalana. Mijoro manatrika ny polipitra ireo

mpiandry faneva . Mitsangana ny rehetra rehefa miditra ireo saina ary

mitoetra mitsangana mandra-pametraka ireo saina.)

Hiran’ny Mpisavalalana………………….....Ireo Mpisavalalana

Lalàna sy voady…………………………….Tarihin’ny Mpisavalalana iray

Fametrahana ny faneva

Vakiteny: Ohabolana 22 : 6……………Mpisavalalana iray

Efesiana 6 : 1-4

Vavaka……………………………………...Mpisavalalana

Fiarahabana sy tatitry ny filoha…………….Tatitry ny filohan’ny fikambanana

ny amin’ny fihetsehana nandritra

ny taona, ny zava-kendrena

amin’ny taona ho avy ary

fanehoana ireo mari-

pankasitrahana.

Feon-java-maneno manokana……………….Mpisavalalana vitsivitsy

« Nahoana aho no Mpisavalalana»………….Mpisavalalana

« Nanao ahoana ny nanombohan’ny zavatra rehetra?»..Filoha sy Mpisavalalana

Fanatitra……………………………………..Mpisavalalana

Feon-java-maneno manokna………………...Mpisavalalana iray na maromaro

Toriteny fohy………………………………...Pasitora, vahiny nasaina, ankizy

Hira

Tso-drano…………………………………….Mpisavalalana

Feon-kira famaranana

197

IREO FIHETSEHANA HAFA TOHANAN’NY FEDERASIONA

Federasiona maro no manohana fihetsiketsehana manokana izay mifantoka amina sokajin-taona manokana ao amin’ny Mpisavalalana na fahalianana manokan’ireo tarika. Amin’ny ankapobeny ireo fikambanana dia mahazo isa amin’ny fandraisana anjara raha toa ka misy ampahany nisolontena fa tsy ny rehetra no manatrika.

Ireo ohatra amin’ireo fihetsiketsehana matetika dia mikendry manokana ireo tanora 10-19 taona ary tokony ho hita ao anatiny ny Fitsangantsanganana amin’ny zahatra, Dia misionera, Filasiana eny amin’ny rano /fikorisana amin’ny ranomandry, Dia manokana fanaovana vy very, sns

Ny dia misionera ho an’ny ankizy 10-19 taona dia tokony hisy ifandraisan’ny manokana amin’ny tetik’asa manokana nosafidiana tao amin’ny faritry ny Federasiona, faritra hafa ao amin’ny firenena, na firenena hafa mihitsy aza. Ao anatin’ireo tetik’asa ny fanatsarana ny tontolo iainana, famonjena ireo tra-boina, fikarakarana ny kamboty sy be antitra, asa fanompoana mifandray amin’ny fahasalamana, tetik’asa fanorenan-trano, sns.

Ohatra maromaro izay tafiditra ao anatin’ireo toe-javatra misy fahalianana manokana ny dia fitiliana vorona mandritra ny faran’ny herinandro ; hahitana voalohany ny toerana misy azy, hazahakazan--tsoavaly any anaty ala, fandehanana an-dakana misy maotera, foaran’ny solosaina, Lasy ho an’ny mozika, herinandro an-davabato na zohy, faran’ny herinandro famonjena taitra sy vonjy voina sy ny zavatra maro hafa. Indraindray ireo Mpisavalalana tsirairay dia mampivelatra fahalianana manokana izay tsy mahakasika ny sisa amin’ny fikambanana na tsy misy Staff manana fahaizana manokana amin’ny fitarihana izany.

Ny Federasiona dia afaka, amin’ny alàlan’ny fanambarana ny hery sy ny vola amin’ny faritra lehibe kokoa, dia afaka manome tombontsoa azon’ireo Mpisavalalana ireo hampivelarana misimisy kokoa ny fahaiza-manao hananan’izy ireo amin’ny alàlan’ny fandraisana anjara amin’ny toe-javatra manokana tahaka izany. Amin’ny ankapobeny ireo liana amin’io lohahevitra io ihany no manatrika miaraka amin’ny mpanolo-tsaina lehibe anankiray isaky ny mpandray anjara 4-6 nitambatra avy ao amin’ny fikambanana iray na maromaro.

198