287
Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182 31 Martsa–1 Aprily 2012

Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

  • Upload
    others

  • View
    0

  • Download
    0

Embed Size (px)

Citation preview

Page 1: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Fihaonamben’nyFiangonana FanaoIsan-taona faha-18231 Martsa–1 Aprily 2012

Page 2: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Navoakan’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro

FaranySalt Lake City, Utah

© 2012 Intellectual Reserve, Inc.Zo rehetra voatokana

Fankatoavana ny teny Anglisy: 12/11Fankatoavana ny Fandikanteny: 12/11

Fandikana ny 182nd Annual General ConferenceMalagasy

PD50038655 654

Page 3: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Votoatiny

F I V O R I A N A A S A B O T S Y M A R A I N ATafahaona Indray Isika Izao | Thomas S. Monson . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 1Ary ny Zazakely no Hiroaka Azy | Boyd K. Packer . . . . . . . . . . . . . . . . . . 4Mampianatra ny Zanatsika mba Hahatakatra | Cheryl A. Esplin . . . . . 13Niova fo ho amin’ ny Filazantsarany amin’ ny alalan’ ny

Fiangonany | Donald L. Hallstrom . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 20Tena Tia Antsika Tokoa Izy | Paul E. Koelliker . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 26Ny Sorona | Dallin H. Oaks . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 33Tendrombohitra ho Hanihana | Henry B. Eyring . . . . . . . . . . . . . . . . . . 42

F I V O R I A N A A S A B O T S Y T O L A K A N D R OFanohanana ireo Mpiandraikitra ato amin’ ny Fiangonana | Dieter F.

Uchtdorf . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 51Tatitry ny Departemanta Fanamarinana ny Fampiasam-bolan’ ny

Fiangonana, taona 2011 | Robert W. Cantwell . . . . . . . . . . . . . . . . . . 55Tatitra mikasika ny Antontan’ isa ho an’ ny Taona 2011 | Brook P.

Hales . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 57Ireo Mpiasa ao amin’ ny Tanimboaloboka | Jeffrey R. Holland . . . . . . . 59Tonga Saina: Ny Fanasan’ ny Tompo, ny Tempoly, ary ny Fahafoizan-

tena Manao Asa Fanompoana | Robert D. Hales . . . . . . . . . . . . . . . 66Finoana, Herimpo, Fahafaham-po: Hafatra ho an’ ireo Ray aman-dreny

Tokan-tena | David S. Baxter . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 73Mitoera ao amin’ ny Faritry ny Tompo! | Ulisses Soares . . . . . . . . . . . . 79Mirindra Tsara amin’ ny Feon-kiran’ ny Finoana | Quentin L. Cook . . 84Ahoana no Fomba Ahafahana Mahazo Fanambarana sy Fitaomam-

panahy ho an’ ny Fiainanao Manokana | Richard G. Scott . . . . . . . 93

iii

Page 4: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

F I V O R I A M B E N ’ N Y F I S O R O N A N AIreo Herin’ ny Lanitra | David A. Bednar . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 101Ny Fanavotana ho amin’ ny Fitomboana Azo Tsapain-tanana | Richard

C. Edgley . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 109Fisoronana Aharôna: Mitsangàna ary Ampiasao ny Herin’

Andriamanitra | Adrián Ochoa . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 115Ny Tanjona sy ny zavatra takiana amin’ ny Asa fanompoana amin’ ny

Fisoronana | Dieter F. Uchtdorf . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 121Fianakaviana ao anatin’ ny Fanekempihavanana | Henry B. Eyring . 130Manam-piniavana sy Mendrika ny Hanompo | Thomas S. Monson . 139

F I V O R I A N A A L A H A D Y M A R A I N AIzay Miantra no Hiantrana | Dieter F. Uchtdorf . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 148Isaorana Anie Andriamanitra | Russell M. Nelson . . . . . . . . . . . . . . . . 156Lesona Miavaka | Ronald A. Rasband . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 164Ny Fahitan’ ireo Mpaminany mikasika ny Fikambanana Ifanampiana :

Finoana, Fianakaviana, Fanampiana | Julie B. Beck . . . . . . . . . . . . 170Ny Fotopampianaran’ i Kristy | D. Todd Christofferson . . . . . . . . . . . . 178Ny Hazakazaky ny Fiainana | Thomas S. Monson . . . . . . . . . . . . . . . . . 189

F I V O R I A N A A L A H A D Y T O L A K A N D R ONy Herin’ ny Fanafahana | L. Tom Perry . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 198Mba Ho Hita Indray Izay Very | M. Russell Ballard . . . . . . . . . . . . . . . 205Manana ny Fahitana mba Handraisana Andraikitra | O. Vincent

Haleck . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 213Araky ny Fitsipiky ny Fahamarinana Irery Ihany | Larry Y. Wilson . 219Mendrika ny Natao Ve Izany? | David F. Evans . . . . . . . . . . . . . . . . . . 225Mihazona izany ho Masina | Paul B. Pieper . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 233Ahoana no hevitr’ i Kristy mikasika ahy? | Neil L. Andersen . . . . . . . 239Eto am-pamaranana Ity Fihaonambe Ity | Thomas S. Monson . . . . . . 247

F I V O R I A M B E N ’ N Y Z A T O V O VAV Y M A N E R A N - T A N YMitsangàna ary Mamirapirata | Ann M. Dibb . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 250

iv

Page 5: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Katsahonareo ny Fianarana: Manana Asa Tokony HataoIanareo | Mary N. Cook . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 257

Izao no Fotoana Tokony Hitsanganana sy Hamirapiratana! | Elaine S.Dalton . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . 265

Minoa, Mankatoava, Mahareta | Thomas S. Monson . . . . . . . . . . . . . . 273

v

Page 6: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny
Page 7: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

F I V O R I A N A A S A B O T S Y M A R A I N A | 3 1 M a r t s a 2 0 1 2

Tafahaona Indray IsikaIzaoNataon’ny Filoha Thomas S. Monson

Mieritreritra antsika tsirairay avy sy izay zavatrailaintsika ny Ray any an-danitra. Enga anie isika hoheniky ny Fanahy ao anatin’ny fandraisantsika anjaraamin’ny fizotran’ny fihaonambe.

Ry rahalahiko sy anabaviko malala, amin’izao fihaonantsikaizao indray eto amin’ity fihaonamben’ny Fiangonana ity dia falymandray anareo sy maneho ny fitiavako anareo aho. Mihaonaisaky ny enim-bolana isika mba hifanamafy orina, hifankahery,hifanohana ary hanorina finoana. Tonga eto isika mba hianatra.Mety hikatsaka valiny amin’ireo fanontaniana sy fanambyatrehinareo eo amin’ny fiainana ny sasantsasany aminareo. Metymanana olana noho ny fahadisoam-panantenana sy famoizanaolon-tiana ny sasany. Samy afaka handray fahazavana syfankaherezana ary fanohanana isika rehefa mahatsapa nyFanahin’ny Tompo.

Raha misy fanovana tokony ho atao eo amin’ny fiainanareo,dia enga anie hahita fomba sy herimpo hanaovana izany ianareoeo am-pihainoana ireo teny entanim-panahy izay ho alahatra eto.Enga anie isika handray fanapahan-kevitra vaovao mba entinahiainana, ka ho tonga zanakalahy sy zanakavavin’ny Ray any an-danitra feno fahamendrehana. Enga anie isika hanohy hanohitrany faharatsiana hatrany na aiza na aiza ahitana izany.

Tena voatahy tokoa isika tonga eto an-tany amin’izao fotoanaizao—fotoana mahatalanjona eo amin’ny tantaran’izao tontolo

1

Page 8: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

izao. Tsy afaka ny hiara-hivory ao anatin’ny efitra lehibe irayisika rehetra kanefa manana ny fahafahana hanaraka nyfizotran’ny fihaonambe amin’ny alalan’ny fahitalavitra, nyfampielezam-peo, ny cable, ny zanabolana ary ny Internet—enyna amin’ny alalan’ny fitaovana entin-tanana koa aza. Mitambatraho iray isika, samy manana ny fiteniny, mipetraka amin’ny tanymaro samihafa kanefa ny rehetra dia iray ao amin’ny finoana syao amin’ny fotopampianarana ary ao amin’ny tanjona.

Hatramin’ilay fiandohana kely 182 taona lasa izay, diamihamihanaka maneran-tany ny fisiantsika. Ity tanjona lehibeiarahantsika manolo-tena ity dia hitohy handroso hatrany,hanova sy hitahy fiainana mandritra izany fihanahany izany. Tsyhisy foto-kevitra, na hery hafa eto amin’izao tontolo izao afakahanakana ny asan’Andriamanitra. Na inona na inona zavatrahiseho, ity tanjona lehibe ity dia tsy maintsy handroso hatrany.Tsaroanareo angamba ilay teny mifono faminaniana nataon’nyMpaminany Joseph Smith: “Tsy hisy tanan’ny ratsy fanahy afakahanakana ny fandrosoan’ity asa ity. Handrovitsihy nyfanenjehana, hanao tambabe ny mpihetraketraka, hanambatrahery ny tafika, hitatatata ny fanaratsiana, kanefa nyfahamarinan’Andriamanitra dia handroso amim-pahasahiana,amim-boninahitra ary tsy hiankina amin-javatra hafa,mandrapanenik’izany ireo kaontinanta rehetra, hitsidihan’izanyny havoana rehetra, handalovany ny firenena rehetra aryhikasihan’izany ny sofina rehetra, ka ho tanteraka nytanjon’Andriamanitra ary hilaza ilay Jehovah Lehibe hoe vita nyasa.”1

Maro ny zava-manahirana sy miendrika fanamby etoamin’izao tontolo izao ankehitriny, ry rahalahiko sy anabaviko,kanefa maro koa ny zava-mahasoa sy mampivoatra. Araky nyambarantsika ao amin’ny fanekem-pinoana fahatelo ambin’nyfolo, manao hoe: “Raha toa ka misy zavatra mendrika, maha-teho tia, tsara na mendrim-piderana dia mikatsaka ireny zavatraireny isika.” Enga anie isika hanohy hanao toy izany.

Misaotra anareo aho noho ny finoanareo sy ny fanoloran-tenanareo amin’ny filazantsara. Misaotra anareo aho noho nyfitiavana sy fifanampiana ataonareo. Misaotra anareo aho nohony asa fanompoana izay ataonareo eo amin’ny paroasy na

F I V O R I A N A A S A B O T S Y M A R A I N A

2

Page 9: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

1.

sampana misy anareo ary eo amin’ny tsatòkanareo sy nydistrikanareo. Ny asa fanompoana toy izany no hahatontosan’nyTompo ny maro amin’ireo tanjony eto an-tany.

Maneho ny fankasitrahako anareo aho noho ny hatsaram-panahinareo amiko na aiza na aiza alehako. Misaotra anareo ahonoho ny vavaka ataonareo ho ahy. Nahatsapa ireny vavaka irenyaho ary velom-pankasitrahana noho izany.

Ankehitriny ry rahalahy sy anabaviko, tonga eto isika mbahandray torolalana sy fanetanam-panahy. Maro ireo hafatrahozaraina mandritra ny roa andro manaraka. Afaka manometoky anareo aho fa ireo lehilahy sy vehivavy izay hiteny eto dianikatsaka ny fanampiana sy ny fitarihan’ny lanitra teo am-panomanana ny hafatra hozarainy. Nentanim-panahy izy ireoamin’ny zavatra izay horesahiny amintsika eto.

Mieritreritra antsika tsirairay avy sy izay zavatra ilaintsika nyRay any an-danitra. Enga anie isika ho heniky ny Fanahy aoanatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny fihaonambe.Izany no vavaka amin-kitsimpo atolotro amin’ny anaranamasin’ny Tompo sy Mpamonjy antsika, dia i Jesoa Kristy, amena.

FanamarihanaTeachings of Presidents of the Church:Joseph Smith (2007), 444.

T H O M A S S . M O N S O N

3

Page 10: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Ary ny Zazakely noHiroaka AzyNataon’ ny Filoha Boyd K. PackerFilohan’ ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifolo

Tokony ho takatr’ ireo mpivady fa ny antsonyvoalohany—izay tsy isaorana azy na oviana naoviana—dia eo amin’ izy samy izy ary avy eo amin’ireo zanany.

Taona maro lasa izay, nandritra ny alina mangatsiaka iray taoamin’ ny tobim-piantsonan’ ny fiarandalamby tany Japon, dianaheno kapokapoka kely teo amin’ ny varavarankelin’ ny efitrafatoriana tao amin’ ny fiarandalamby nisy ahy aho. Zazalahy kelyiray nangovitry ny hatsiaka no nijoro teo, nitafy akanjo ambonyrovidrovitra niaraka tamin’ ny lamba rovidrovitra nifatotrananodidina ny taolam-balanoranony izay nivonto. Rakotry nylagaly ny lohany. Nihazona kapoaka harafesina sy sotro izy, izaynamantarana ny naha-zaza kamboty mpangataka azy. Rahaniezaka namoha ilay varavarana iny aho mba hahafahakomanome vola azy dia niainga ilay fiarandalamby.

Tsy ho hadinoko mihitsy izany zazalahy kely maty noanaizany izay tavela teo nijoro tao anatin’ ny hatsiaka ary nihazonakapoaka tsy nisy na inona na inona. Tsy ho hadinoko koa nyfahatsapana nananako hoe tsy afaka nanampy azy rehefa niaingatsimoramora ilay fiarandalamby ary nandao azy irery nijoro teoamin’ ny morom-piantsonana.

Taona maro taty aoriana tany Cuzco, tanàna iray ambonytoerana tany amin’ ny tendrombohitr’ i Andes any Pérou, diananatrika fivoriana fanasan’ ny Tompo tao amin’ ny efitrano iraylavalava sady tery izay tonga dia misokatra manatrika ny arabeizaho sy ny Loholona A. Theodore Tuttle. Alina tamin’ izay ary

F I V O R I A N A A S A B O T S Y M A R A I N A

4

Page 11: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

nandritra ny nanaovan’ ny Loholona Tuttle ny lahateniny, dianisy zazalahy kely, mety ho enin-taona teo ho eo, nijoro teo amin’ny fidirana. Nitafy akanjo ambony voron-kitsay izay tongahatreny amin’ ny lohaliny izy.

Teo ankavianay teo dia nisy latabatra kely izay nisy ireo viliafasiana ny mofo ho an’ ny fanasan’ ny Tompo. Hitan’ itykamboty mpirenireny an’ arabe izay maty noana ity ilay mofo arydia nikisakisaka tsimoramora nanaraka ny rindrina nanatonaizany izy. Efa mby ho tonga teo amin’ ilay latabatra izy no tazan’ny vehivavy iray nipetraka teo amin’ ny sisiny. Tamin’ ny alalan’ny fihetsika tamin’ ny lohany izay naneho fandrarana tenahentitra no nandroahan’ ilay vehivavy azy hivoaka tany ivelanyho any amin’ ny haizin’ ny alina. Nitoloko ny foko.

Niverina indray ilay zazalahy kely avy eo. Nikisakisakananaraka ny rindrina izy, sady nanopy maso tany amin’ ny mofodia avy eo tany amiko. Rehefa mby tonga teo amin’ ilay toeranaizay mety hahitan’ ilay vehivavy azy indray izy dia natsotrakohandray azy ny sandriko, ary dia nihazakazaka nanatona ahy izy.Nampofoiko izy.

Avy eo dia napetrako teo amin’ ny sezan’ ny Loholona Tuttleizy, ho toy ny sariohatra iray. Taorian’ ny vavaka famaranana dialasa niporitsaka nivoaka nankany anatin’ ny haizina ilayzazalahy kely.

Rehefa niverina nody aho dia nolazaiko tamin’ ny FilohaSpencer W. Kimball izany zava-nitranga tamiko izany. Tohinatokoa ny fony ary nilaza tamiko izy hoe: “Firenena iray mihitsyno nampofoinao tamin’ izany.” Naverimberiny tamiko hatranyny hoe “Izany zavatra niainanao izany dia misy dikany lehibelavitra kokoa noho izay mbola takatry ny sainao.”

Rehefa nitsidika efa ho in-jato an’ ireo firenena maro anyAmerika Latina aho dia nitady an’ ilay zazalahy kely tao anatin’ny endriky ny olona. Ankehitriny dia takatro ny tian’ ny FilohaKimball holazaina.

Nahita zazalahy kely iray hafa izay nangovitry ny hatsiakakoa aho teto amin’ ny araben’ i Salt Lake City. Tao anatin’ ny alin’ny ririnina mangatsiaka iray hafa koa izany. Avy nihinana sakafoharivan’ ny Krismasy tao amin’ ny hôtely iray izahay. Nisyankizilahy niisa enina na valo teo ho eo nidina ny lalana sady

B O Y D K . P A C K E R

5

Page 12: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

nitabataba. Tokony ho tany an-tranony tsy ho azon’ ny hatsiakaizy rehetra.

Tsy nanana akanjo mafana ny ankizilahy iray tamin’ izy ireo.Nitsambikimbikina haingana izy mba hanafanany ny vatany.Nanjavona tany an’ elankelantrano izy, ary azoko antoka fa tranokely sy tsy zarizary izany ary ahitana fandriana izay tsy misylamba firakotra ampy akory mba hanafana azy.

Amin’ ny alina rehefa mandrakotra ny tenako amin’ nybodofotsy aho dia manolotra vavaka ho an’ ireo izay tsy mananafandriana mafana akory.

Tany Osaka, Japon no nisy ahy rehefa nifarana ny AdyLehibe faha-II. Rava ilay tanàna ary feno vangongon-trano rava,sy potipoti-javatra, ary lavadavak’ ireo baomba ny lalana. Na dianianjerazera aza ny ankamaroan’ ireo hazo dia nisy hazovitsivitsy nijoro, tapatapaka ny rantsany sy ny vatany, fa mbolananana herimpo namoaka rantsankazo vitsivitsy nisy ravina.

Nisy zazavavy kely nitafy kimono rovidrovitra milokomarevaka izay sahirana nanangona ravin’ amontana mavomavoho ataony fehezam-boninkazo. Toa tsy tsikaritr’ ity zazavavykely ity ireo faharavana izay nanodidina azy teo am-pandehandehanany tao anatin’ ny korontan-trano ravananangona ravinkazo fanampiny. Nahita ilay hatsarana izay sisatavela teo amin’ ny tontolony izy. Angamba tokony hiteny ahohoe izy no hatsarana hita tao amin’ ny tontolony. Toanampitombo ny finoako ny fieritreretana azy. Ohatra maneho nyfanantenana izany zaza izany.

Nampianatra i Môrmôna fa “velona ao amin’ i Kristy nyankizy madinika”1 ary tsy mila mibebaka.

Tamin’ ny fiafaran’ ilay taonjato lasa teo dia nisy misiôneraroa niasa tany amin’ ny tendrombohitra tany amin’ ny faritraatsimon’ i Etazonia. Indray andro, avy eny an-tampon-kavoanaizy ireo no nahatazana olona nitangorona tery ambany lavitratery tao anatin’ ny ala mazaotra kely. Tsy dia matetika ireompitory no mba mahita olona maro azo hitoriana ka dia nidinanankeny amin’ izany ala mazaotra kely izany izy ireo.

Nisy zazalahy kely maty an-drano tamin’ izay ary dia efa hoatao ny fandevenana. Nampaka ny mpitandrina ireo ray aman-dreniny mba “hitondra teny” amin’ izany fandevenana ny

F I V O R I A N A A S A B O T S Y M A R A I N A

6

Page 13: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

zanakalahin’ izy ireo izany. Nijoro tery aoriana ireo misiôneraraha nanomboka ny toriteniny ilay mpitandrina mandehandehaizay nanatrika an’ ilay ray sy reny vonton’ alahelo. Raha mbananantena teny fampiononana avy tamin’ ity lehilahympitandrina ity ireo ray aman-dreny dia diso fanantenana tokoaizy ireo.

Nandatsa mafy azy ireo izy tamin’ ny tsy nanaovany batisaizany zazalahy kely izany. Tsy nahavita izany batisa izany izyireo noho ny antony maro, ary ankehitriny dia tara loatra izany.Nilaza tsy tamim-pihambahambana tamin’ izy ireo izy hoe lasaany amin’ ny helo ilay zazalahy kely, ary hoe hadisoan’ izy ireoizany. Tsinin’ izy ireo ny fijaliana tsy misy fiafarana hihatraaminy.

Rehefa vita ny toriteny sy voatototra ny fasana dia nanatonaireto ray aman-dreny vonton’ alahelo ireo misiônera lehilahy.“Mpanompon’ ny Tompo izahay,” hoy izy ireo tamin’ ilay reny,“ary manana hafatra ho anareo.” Rehefa nihaino ireo ray aman-dreny vonton-dranomaso, dia namaky teny avy tao amin’ ireofanambarana ireo misiônera lehilahy anankiroa ary nijoro hovavolombelona mikasika ny famerenana amin’ ny laoniny ireofanalahidin’ ny fanavotana ho an’ ny velona sy ny maty.

Mangoraka an’ ity mpitandrina ity ihany aho. Nanao izaytsara indrindra vitany izy tamin’ ny alalan’ ny fahazavana syfahalalana kely izay nananany. Kanefa misy zavatra bebe kokoatokony ho azony nomena. Nisy ny fahafenoan’ ny filazantsara.

Ireo misiônera lehilahy ireo dia tonga tamin’ ny naha-mpampionona, sy mpampianatra, ary mpanompon’ ny Tompoazy ireo, ary tamin’ ny naha-mpitory ny filazantsaran’ i JesoaKristy nahazo lalana azy ireo.

Ireo ankizy rehetra noresahiko teo dia misolo tena ireozanaky ny Raintsika any an-danitra rehetra. “Lova avy amin’ iJehovah ny zanaka maro: ary . . . sambatra izay mameno nytranon-jana-tsipìkany amin’ ireny.”2

Ny famoronana aina dia andraikitra lehibe ho an’ nympivady. Ny maha-ray aman-dreny mendrika sy tompon’andraikitra no fanamby lehibe eto amin’ ny fiainana an-tany. Nany lehilahy irery na ny vehivavy irery dia samy tsy afakamiteraka zanaka. Ny zanaka dia natao hanana ray aman-dreny

B O Y D K . P A C K E R

7

Page 14: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

ahitana olona roa—dia ny ray sy ny reny. Tsy misy fomba nalamina hafa ahafahana manolo izany.

Efa elaela ihany izay dia nisy vehivavy iray nilaza tamin-dranomaso tamiko fa nahavita hadisoana goavana izy sy nysakaizany fony izy ireo mbola mpianatra tany amin’ ny sekolyambaratonga ambony. Nasain’ izany sakaizany izany hanala zazaizy. Tonga ny fotoana nahavitan’ izy ireo ny fianarany ary nivadyizy ireo, dia nanan-janaka maro hafa. Nolazainy tamiko nyfijalijaliana tsapany ankehitriny rehefa manopy maso nyfianakaviany, ireo zanany mahafatifaty ary mahita ao an-tsainyilay toerana iray, izay banga ankehitriny, izay tokony hisy ilayzaza iray izay tsy eo.

Raha mahatakatra sy mampihatra ny Sorompanavotana itympivady ity dia hahafantatra fa ireo zavatra niainana sy nyfanaintainana mifandray amin’ izany dia azo fafana. Tsy hisyfanaintainana haharitra mandrakizay. Tsy mora izany kanefa tsynatao ho mora na vitavita amin’ izao fotsiny ny fiainana.Mendrika ny hanaovana ny ezaka izay tokony hatao foana nyfibebahana sy ny fanantenana maharitra izay entin’ ny famelan-keloka.

Nisy mpivady iray hafa nilaza tamin-dranomaso tamiko koafa avy nihaona tamin’ ny dokotera izy ireo ary nolazaina fa tsyafaka ny hiteraka. Torotoro tanteraka ny fon’ izy ireo raha nandreilay vaovao. Gaga izy ireo raha niteny taminy aho hoe raha nymarina dia azo lazaina hoe tsara vintana izy ireo. Nanontany tenaizy ireo hoe nahoana aho no nilaza zavatra toy izany. Nolazaikotamin’ izy ireo fa tsara lavitra kokoa ny zavatra iainany noho nyan’ ireo mpivady izay afaka ny ho tonga ray aman-dreny kanefamandà sy mandositra amim-pitiavan-tena izany andraikitraizany.

Hoy aho tamin’ izy ireo hoe: “Ianareo aza mba maniry nyhanan-janaka ary izany faniriana izany dia hitondra soa lehibe eoamin’ ny fiainanareo ety an-tany ary any ankoatra satria hanomefahatomombanana ara-panahy sy ara-pihetsehampo izany. Amin’ny farany dia ho fitahiana lehibe ho anareo izany satria naniryhanan-janaka ianareo fa tsy afaka nahazo, raha ampitahainaamin’ ireo izay afaka nefa tsy te-hanana.”

F I V O R I A N A A S A B O T S Y M A R A I N A

8

Page 15: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Misy koa ireo izay mijanona ho tsy manam-bady ary dia tsymanan-janaka noho izany. Ny sasany, noho ny toe-javatra izay tsymiankina aminy, dia mitaiza ireo ankizy amin’ ny maha-reny naray tokan-tena azy ireo. Toe-javatra mandalo ireo. Araky nydrafitra mandrakizay—tsy toy izany foana akory ny eto amin’ nyfiainana an-tany—dia ho tanteraka ireo faniriana marinamivaivay.

“Raha amin’ izao fiainana izao ihany no anantenantsika an’ iKristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika.”3

Ny tanjona faratampon’ ny zavatra atao rehetra ao amin’ nyFiangonana dia ny hahita mpivady sy ireo zanany heniky nyfifaliana ao an-tokantranony, voaro amin’ ny alalan’ ireo fitsipikasy lalàn’ ny filazantsara, voafehy soa aman-tsara ao anatin’ nyfanekempihavanan’ ny fisoronana mandrakizay. Tokony hotakatr’ ireo mpivady fa ny antsony voalohany—izay tsy isaoranaazy na oviana na oviana—dia eo amin’ izy samy izy ary avy eoamin’ ireo zanany.

Iray amin’ ireo zava-baovao lehibe hita amin’ ny maha-rayaman-dreny dia ny hoe betsaka lavitra ny zavatra ianarantsikaavy amin’ ny zanatsika noho ny avy tamin’ ny ray aman-drenintsika raha ny mikasika an’ izay zavatra tena manan-danja.Tsapantsika ny fahamarinan’ ny faminanian’ i Isaia, manao hoe:“Ary ny zazakely no hiroaka azy.”4

Tao Jerosalema dia “niantso zazakely anankiray hankeoaminy [i Jesoa], dia nametraka azy teo afovoany,

“Ka nanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha tsymiova hianareo ka tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ ny lanitra mihitsy hianareo.

“Koa na zovy na zovy no hanetry tena tahaka ity zazakely ity,dia izy no ho lehibe indrindra amin’ ny fanjakan’ ny lanitra.”5

“Nefa Jesosy kosa nanao hoe: Avelao ny zaza, ary aza raranatsy hanatona Ahy; fa an’ ny toa azy ny fanjakan’ ny lanitra.

“Ary nony nametraka ny tànany taminy Izy, dia niala teo.”6

Hitantsika ao amin’ ny Bokin’ i Môrmôna koa ny famangian’i Jesoa Kristy tany amin’ ny Tany Vaovao. Nanasitrana sy nitahyireo vahoaka izy ary nandidy azy ireo hitondra ireo zazamadinika ho eo Aminy.

B O Y D K . P A C K E R

9

Page 16: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

I Môrmôna dia nirakitra hoe: “Koa nentiny ny ankizymadininy sy napetrany tamin’ ny tany manodidina Azy, arynijoro teo afovoany i Jesoa; ary ny valalabemandry dia nanomelalana ambara-pitondrany azy rehetra teo anoloany.”7

Nandidy ireo vahoaka handohalika izy avy eo. NanodidinaAzy ireo ankizy ary nandohalika ny Mpamonjy ka nanolotravavaka tamin’ ny Raintsika any an-danitra. Taorian’ ilay vavakadia nitomany ny Mpamonjy, “ary nalainy tsirairay ny ankizymadininy ary notsofiny rano izy ireo, nivavahany ny Ray ho azyireo.

“Ary nony nanao izany Izy dia nitomany indray.”8

Takatro tsara ny fihetsehampo izay nasehon’ ny Mpamonjyho an’ ireo ankizy madinika. Maro no azo ianarana avy amin’ nyfanarahana ny ohatra nasehony eo amin’ ny fikatsahanahivavaka, sy hitahy ary hampianatra “ireo ankizy madinikaireo.”9

Izaho dia zaza faha-10 tao amin’ ny fianakavianay izay nisyankizy 11. Raha ny fahafantarako azy dia tsy mba nihazona antsoambony tato am-piangonana na ny raiko na ny reniko.

Nanompo tamim-pahatokiana tao amin’ ilay antso manan-danja indrindra izy ireo tamin’ ny naha-ray aman-dreny azy.Nitarika ny tokantrano nisy anay tamim-pahamarinana ny raikoary tsy mba tamim-pahatezerana na tamim-pahatahoranavelively. Ary izany ohatra mahery vaikan’ ny rainay izany diatanteraka noho ny torohevitra malefaky ny reninay. Nisyfiantraikany mahery vaika teo amin’ ny fiainanay tsirairay taoamin’ ny fianakaviana Packer ny filazantsara ary hisyfiantraikany toy izany koa ho an’ ny taranaka manaraka sy nytaranaka manaraka aorian’ izany, ary ho toy izany hatranyhatrany araka ny hitanay hatreto aloha.

Tiako raha mba ho lazaina aho hoe lehilahy tsara toy ny raikoaho. Alohan’ ny handrenesako ny teny hoe “tsara izany” avyamin’ ny Raiko any an-danitra dia manantena aho fa handreizany avy amin’ ny raiko niteraka ahy aloha.

Imbetsaka aho no sanganehana mikasika ny antonyniantsoana ahy ho Apôstôly dia avy eo Filohan’ ny Kôlejin’ nyRoambinifololahy nefa izaho avy amin’ ny tokantrano iray izaynahitana ray azo lazaina hoe malaindaina ihany. Tsy izaho irery

F I V O R I A N A A S A B O T S Y M A R A I N A

10

Page 17: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

no hany mpikamban’ ny Roambinifololahy izay iantefan’ izanyfamaritana izany.

Farany, hitako sy takatro fa mety ho noho izany toe-javatraizany no nahatonga ahy ho voantso. Ary takatro ny antony hoe,ao anatin’ ny zavatra rehetra izay ataontsika ato am-piangonanadia mila isika, amin’ ny maha-mpitarika antsika, manome fombaho an’ ny ray aman-dreny sy ny zanaka, mba hananany fotoanaiarahana amin’ ny maha-fianakaviana azy ireo. Mila mitandrinaireo mpitarika ao amin’ ny fisoronana mba hanao izay hahatongany Fiangonana ho fitahiana ho an’ ny fianakaviana.

Misy zavatra maro mikasika ny fiainana ny filazantsaran’ iJesoa Kristy izay tsy azo refesina amin’ ny alalan’ ny fanisana nafiraketana ny fanatrehana ao am-piangonana. Mandany nyfotoanantsika amin’ ny resaka trano fivavahana sy teti-bola aryfandaharan’ asa sy lamim-pitantanana loatra isika. Rehefa manaoizany isika dia mety ho hadinontsika ny tena tanjon’ nyfilazantsaran’ i Jesoa Kristy.

Matetika no misy olona manatona ahy ary milaza hoe:“Filoha Packer a! Tsy tsara ve raha . . . ?”

Mazàna aho no manajanona azy ireo ary miteny hoe tsia,satria tsinjoko fa ny ho lazainy manaraka eo dia fiaraha-mientanana fandaharan’ asa iray vaovao izay hampitombo indray nyvesatra ara-potoana sy ara-bola eo amin’ ny fianakaviana.

Masina ny fotoana natokana ho an’ ny fianakaviana arytokony ho arovana sy hajaina izany. Manainga ireo mpikambanaizahay mba haneho fanoloran-tena ho an’ ireo fianakaviany.

Fony izahay vao nivady dia nanapa-kevitra izahay mivady fahanaiky ireo zanaka rehetra ho aterakay ary handray andraikitraamin’ ny fitazaina sy famelomana azy ireo. Rehefa tonga nyfotoana dia hanorina ny fianakavian’ izy ireo manokana izy ireo.

Indroa teo amin’ ny fanambadianay, tamin’ ny fotoanahahaterahan’ ny roa tamin’ ireo zanakay lahikely, no nisydokotera nilaza hoe: “Angamba mety tsy ho azo ity iray ity.”

Tao anatin’ ireo fotoana roa ireo dia namaly izahay fahanolotra ny fiainanay ho an’ ilay zanakalahinay izay tena kelyizahay raha toa ka afaka ny hitazona ny ainy izy. Tao anatin’izany fanoloran-tenanay izany no nahatsapanay fa toy izany koa

B O Y D K . P A C K E R

11

Page 18: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

1.2.3.4.5.

6.7.8.9.

ny fanoloran-tena ataon’ ny Ray any an-danitra amintsikatsirairay avy. Tena toe-tsain’ ny lanitra izany!

Ankehitriny ao anatin’ izao fotoana faramparan’ ny fiainanayizao, izaho sy Rahavavy Packer dia mahatakatra sy mijoro hovavolombelona fa afaka ny hiaraka mandrakizay tokoa nyfianakavianay. Rehefa mankatò ny didy sy miaina feno nyfilazantsara isika dia ho voaro sy handray fitahiana. Raha nymikasika ny zanakay sy ny zafikelinay ary ireo zafiafinay, nyvavaka ataonay dia ny mba hananan’ ny olona tsirairay ao amin’ny fianakavianay izay tsy mitsaha-mitombo ilay fanoloran-tenamitovy amin’ izany eo anatrehan’ ireo zaza madinika sarobidyireo.

Ry ray sy reny, rehefa mitrotro zaza vao teraka eo an-tsandrinareo ianareo amin’ ny manaraka dia afaka ny hananafahitana anaty an’ ireo mistery sy tanjon’ ny fiainana.Hahatakatra tsara kokoa ny antom-pisian’ ny Fiangonana ianareosy ny antony mahatonga ny fianakaviana ho rafitra fototra etoamin’ izao fiainana izao sy mandrakizay. Mijoro hovavolombelona aho fa ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy dia marina,ary ny drafitry ny fanavotana, izay nantsoina hoe drafitra nyfahasambarana, dia drafitra ho an’ ireo fianakaviana. Mivavakaamin’ ny Tompo aho mba ho voatahy ireo fianakaviana ato am-piangonana, ireo ray aman-dreny sy ireo zanaka, ary mbahandroso hatrany araky ny sitrapon’ ny Ray ity asa ity. Izany noijoroako ho vavolombelona amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy,amena.

FanamarihanaMôrônia 8:12.Salamo 127:3, 5.1 Korintiana 15:19.Isaia 11:6.Matio 18:2–4.

Matio 19:14–15.3 Nefia 17:12.3 Nefia 17:21–22.3 Nefia 17:24.

F I V O R I A N A A S A B O T S Y M A R A I N A

12

Page 19: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Mampianatra ny Zanatsikamba HahatakatraNataon’ i Cheryl A. EsplinMpanolotsaina Faharoa ao amin’ ny Fiadidian’ ny Kilonga Maneran-tany

Mihoatra noho ny fizarana fampahalalana fotsiny nyfampianarana ny zanatsika mba hahatakatra. Izany diamidika hoe manampy ny zanatsika hampiditra ilayfotopampianarana ao am-pony.

Rehefa nandalo ireo taona maro, dia antsipirian-javatrabetsaka teo amin’ ny fiainako no lasa nihananjavozavo. Saingyan’ isan’ ireo fahatsiarovana izay mitoetra ho mazava indrindraao an-tsaiko ireo fahaterahan’ ny zanakay tsirairay. Toy ny tenaakaiky mihitsy ny lanitra tamin’ izany, ary raha manandrana ahodia afaka ny hanana ireo fahatsapana fanehoam-panajana syfahatalanjonana izay tsapako tamin’ izany fotoana izany isaky nyhoe eny an-tsandriko ny iray tamin’ ireo zazakely sarobidy ireo.

“Lova avy amin’ i Jehovah ny [zanatsika]” (Salamo 127:3).Fantany sy tiany amin’ ny fitiavana lavorary izy tsirairay ireo(jereo ny Môrônia 8:17). Tena andraikitra masina tokoa nonapetraky ny Ray any an-danitra amintsika amin’ ny maha-rayaman-dreny antsika mba hiara-hiasa Aminy eo amin’ nyfanampiana an’ ireo fanahy tsara indrindra izay Azy mba hotonga amin’ izay fantany fa ho azon’ izy ireo tratrarina.

Izany tombontsoa masina hoe hitaiza ny zanatsika izany diaandraikitra lehibe lavitra kokoa noho izay mety ho vitantsikasamirery raha tsy miaraka amin’ ny fanampian’ ny Tompo.Fantany tsara ny zavatra tokony ho fantatry ny zanatsika sy nyzavatra tokony hataon’ izy ireo ary izay toetra tokony hananan’izy ireo mba hahafahany miverina eo anatrehany indray. Omeny

C H E R Y L A . E S P L I N

13

Page 20: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

torololana sy fitarihana mazava tsara ireo reny sy ray amin’ nyalalan’ ny soratra masina sy ireo mpaminaniny ary ny FanahyMasina.

Ao anatin’ ny fanambarana iray ho an’ ny andro farany izayazo tamin’ ny alalan’ ny Mpaminany Joseph Smith, dia nanometorolalana ho an’ ny ray aman-dreny ny Tompo mba hampianatrany zanany hahatakatra ny fotopampianaran’ ny fibebahana, nyfinoana an’ i Kristy, ny batisa ary ny fanomezana ny FanahyMasina. Mariho fa ny Tompo dia tsy milaza fotsiny hoe isika diatokony “hampianatra ny fotopampianarana” fa ny torolalany diany tokony hampianarantsika ny zanatsika mba “hahazoany nyfotopampianarana.” (Jereo ny F&F 68:25, 28; nampianafanamafisana.)

Hitantsika ao amin’ ny Salamo ny hoe: “Omeo fahalalana ahomba hitandrina ny lalànao; eny hitandrina azy amin’ ny fokorehetra aho” (Salamo 119:34).

Mihoatra noho ny fizarana fampahalalana fotsiny nyfampianarana ny zanatsika mba hahatakatra. Izany dia midikahoe manampy ny zanatsika hampiditra ilay fotopampianarana aoam-pony amin’ ny fomba izay hahatonga izany ho lasa ampahan-javatra manorina ny maha-izy azy mihitsy ary hita taratra enyamin’ ny toetrany sy ny fihetsiny mandritra ny fiainanymanontolo.

Nampianatra i Nefia fa ny anjara asan’ ny Fanahy Masina diany mitondra ny fahamarinana “hankany am-pon’ ny zanak’olombelona” (2 Nefia 33:1). Ny anjara asantsika amin’ ny maha-ray aman-dreny antsika dia ny manao izay rehetra vitantsika mbahamoronana tontolo ahafahan’ ny zanatsika mahatsapa nyfitarihan’ ny Fanahy ary avy eo dia manampy azy ireohamantatra izay zavatra tsapany.

Tsaroako ny antso an-tariby iray izay voaraiko avy tamin’ iMichelle zanakay vavy taona maro lasa izay. Tao anatin’ nyfihetseham-po malefaka no nilazany hoe: “Mama a! Vao avyniaina zavatra mahavariana niaraka tamin’ i Ashley aho.” IAshley dia zanany vavy kely izay dimy taona tamin’ izanyfotoana izany. Io maraina io dia nofariparitan’ i Michelle hoemaraina izay tsy nisy afa-tsy adiady tsy nisy fiafarany teo amin’ iAshley sy i Andrew izay telo taona—ny iray tsy te-hizara ary ilay

F I V O R I A N A A S A B O T S Y M A R A I N A

14

Page 21: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

iray kosa mikapoka ilay anankiray hafa. Rehefa avy nanampyazy ireo mba hifandamina i Michelle dia lasa nandeha nijery nyzazakely.

Vetivety teo dia iny i Ashley avy any nihazakazaka sadytezitra fa hoe tsy mizara i Andrew. Nampahatsiahivin’ i Michellean’ i Ashley ilay fanoloran-tena nataon’ izy ireo nandritra nytakarivan’ ny mpianakavy dia ny hoe hifaneho hatsaram-panahybebe kokoa.

Nanontaniany i Ashley raha te-hivavaka sy hangatakafanampiana amin’ ny Ray any an-danitra, saingy mbola tenatezitra i Ashley ka dia namaly hoe: “Tsia.” Rehefa nanontanianaizy raha toa ka nino hoe hamaly ny vavaka hataony ny Ray anyan-danitra, dia namaly izy hoe tsy fantany. Nangataka azy nyreniny mba hanandrana ary dia noraisiny moramora ny tanan’ iAshley dia niara-nandohalika taminy izy.

Nanoro hevitra an’ i Ashely i Michelle hoe afaka mangatakany Ray any an-danitra izy mba hanampy an’ i Andrew mbahahay hizara—ary hanampy azy mba ho tsara fanahy. Tsymaintsy nanaitra ny sain’ i Ashley ny fieritreretana hoe manampyan’ ilay zandriny lahy kely mba hahay hizara ny Ray any an-danitra, ka dia nanomboka nivavaka izy, ary nangataka ny Rayany an-danitra aloha izy mba hanampy an’ i Andrew zandrinylahy kely mba hahay hizara. Rehefa nangataka Taminy izy mbahanampy azy ho tsara fanahy dia nanomboka nitomany.Nofaranan’ i Ashley ny vavaka nataony ary nasitriny teo an-tsoroky ny reniny ny lohany. Nofihinin’ i Michelle izy arynanontaniany hoe maninona izy no mitomany. Nilaza i Ashleyhoe tsy fantany.

Dia hoy ny reniny hoe: “Fantatro ny antony hitomanianao.Mahatsapa zavatra tsara ao anatinao ao ve ianao?” Nanehofanekena tamin’ ny lohany i Ashley, ary dia notohizan-dreninyhoe: “Ny Fanahy izany, izay manampy anao hahatsapa zavatratsara toy izany. Izany no fomban’ ny Ray any an-danitra hilazanaaminao fa tiany ianao ary hanampy anao Izy.”

Nanontaniany i Ashley raha toa ka nino izany, raha toa kanino fa afaka manampy azy ny Ray any an-danitra. Niarakatamin’ ilay maso keliny vonton-dranomaso no namalian’ i Ashleyhoe eny.

C H E R Y L A . E S P L I N

15

Page 22: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Indraindray ny fomba mahery vaika indrindra hampianaranany zanatsika mba hahatakatra fotopampianarana iray dia nymampianatra ao anatin’ ny toe-javatra izay iainan’ izy ireo amin’iny fotoana iny mihitsy. Ireny fotoana ireny dia tonga ho azy arymiseho ao anatin’ ireo zavatra atao mahazatra eo amin’ nyfiainam-pianakaviana. Tonga izy ireny nefa vetivety dia lasa,noho izany dia mila mailo isika ary mila mamantatra ny fotoanairay tokony hampianarana rehefa iny manatona antsika iny nyzanatsika fa manana fanontaniana na ahiahy, na rehefa mananaolana eo amin’ ny fifandraisany amin’ ireo iray tampo aminy naamin’ ny namana, na rehefa mila mifehy ny hatezerany, na rehefamanao hadisoana na rehefa mila mandray fanapahan-kevitra.(Jereo ny Teaching, No Greater Call: A Resource Guide for GospelTeaching [1999], 140–41; Marriage and Family Relations Instructor’sManual [2000], 61.)

Raha vonona isika ary mamela ny Fanahy hitarika ao anatin’ireo toe-javatra ireo dia hahazo fampianarana izay mifonofahombiazana sy fahatakarana lehibe kokoa ny zanatsika.

Manan-danja toy izany koa ireo fotoana ahafahanamampianatra izay miseho rehefa arindranao amim-pisainanatsara ireo fotoana fanao tsy tapaka iarahana toy ny vavaky nympianakavy, ny fandalinan’ ny mpianakavy ny soratra masina,ny takarivan’ ny mpianakavy, ary ireo zavatra hafa iarahan’ nyfianakaviana manao.

Ao anatin’ ny fotoana rehetra ahafahana mampianatra diatena mahomby kokoa ny fianarana rehetra sy ny fahafahanamahataka-javatra rehefa atao ao anatin’ ny tontolo ahatsapana fofeno hafanana sy fitiavana izany ka manatrika eo ny Fanahy.

Teo amin’ ny roa volana mialohan’ ny hahafeno valo taonaan’ ireo zanany, dia nanokana fotoana isan-kerinandro ity raim-pianakaviana ity mba hanomanana azy ireo ho amin’ ny batisa.Nilaza ny zanany vavy fa rehefa tonga ny anjarany dia nomen’ny rainy diary izy ary niara-nipetraka izy ireo, izy mianaka ireryihany, dia nifampiresaka sy nizara ireo zavatra tsapa mikasikaireo fitsipiky ny filazantsara. Nasain-drainy nanao sary entinahisarihana ny maso izy tao anatin’ izany. Sary izay nampiseho nyfiainana talohan’ ny nahaterahana sy ity fiainana eto an-tany ityary ny dingana tsirairay izay tokony hataony mba hiverenana

F I V O R I A N A A S A B O T S Y M A R A I N A

16

Page 23: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

hiara-hiaina amin’ ny Ray any an-danitra indray. Nijoro hovavolombelona momba ny dingana tsirairay izay hita ao amin’ilay drafitry ny famonjena izy rehefa nampianatra izany tamin’ilay zanany vavy.

Rehefa nitantara izany ilay zanany vavy taty aoriana noho nyefa lasa lehibe dia nilaza izy hoe: “Tsy ho hadinoiko velively ilayfitiavana tsapako avy amin’ ny raiko nandritra iny fotoananiarahany tamiko iny. . . . Izaho dia mino fa io zavatra niainako iono antony lehibe indrindra nananako fijoroana hovavolombelona mikasika ny filazantsara tamin’ ny fotoanananaovana batisa ahy” (jereo ny Teaching, No Greater Call, 129.)

Mitaky ezaka feno faharisihana sy ezaka atao tsy tapaka nyfampianarana mba hahatakaran-javatra. Mitaky fampianaranaamin’ ny alalan’ ny fitsipika sy amin’ ny alalan’ ny ohatra izanyary indrindra amin’ ny alalan’ ny fanampiana ireo zanatsikahiaina izay zavatra ianarany.

Nampianatra ny Filoha Harold B. Lee hoe: “Raha tsy ataoizay iainana ny fitsipika iray ao amin’ ny filazantsara, dia . . . hosarotra kokoa ny hino izany fitsipika izany” (Teachings ofPresidents of the Church: Harold B. Lee[2000], 121).

Ny fomba nianarako nivavaka voalohany indrindra diatamin’ ny alalan’ ny fiarahana mandohalika tamin’ nyfianakaviako nandritry ny vavaky ny mpianakavy. Nampianarinaahy ny fiteny ampiasaina ao anatin’ ny vavaka rehefa nihaino an’ireo ray aman-dreniko nivavaka aho ary rehefa nampian’ izy ireohanao ny vavako voalohany. Nianatra aho hoe afaka miresakaamin’ ny Ray any an-danitra aho ary afaka mangataka fitarihana.

Ny reniko sy ny raiko dia manangona anay tsy tapaka isa-maraina manodidina ny latabatra ao an-dakozia alohan’ nysakafo maraina mba handohalika hanao ny vavaky nympianakavy. Nivavaka izahay isaky ny misakafo. Ny harivaalohan’ ny hatoriana dia miara-mandohalika ao amin’ ny tranofandraisam-bahiny izahay ary dia mamarana ny andro amin’ nyalalan’ ny vavaky ny mpianakavy.

Na dia betsaka aza ireo zavatra tsy azoko mikasika ny vavakafony aho ankizy dia lasa tena ampahany manan-danja amin’ nyfiainako ny vavaka hany ka nitoetra niaraka tamiko foana izany.

C H E R Y L A . E S P L I N

17

Page 24: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Mbola manohy mianatra aho ary mbola mihamitombo hatranyny fahatakarako ny herin’ ny vavaka.

Hoy ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe: “Isika rehetra diamahatakatra fa ny fahombiazan’ ny hafatry ny filazantsara diamiankina amin’ ny fampianarana izany, sy ny fahatakarana izanyary ny fiainana izany amin’ ny fomba izay ahafahan’ ilayfampanantenana fifaliana sy famonjena ho tanteraka tokoa”(“Teaching and Learning in the Church” [fivoriam-piofanana hoan’ ireo mpitondra rehetra maneran-tany, 10 Feb. 2007], Liahona,Jiona 2007, 57).

Ny fianarana mba hahatakarana tanteraka ireofotopampianaran’ ny filazantsara dia dingana arahina mandritrany androm-piainana ary tonga amin’ ny endrika “fitsipikaanampy fitsipika, etsy kely ary eroa kely” (2 Nephi 28:30). Rehefamianatra ny zanaka ary mampihatra ny zavatra nianarany diahivelatra ny fahatakaran’ izy ireo, ary izany dia hitondrafahalalana sy fanaovana asa bebe kokoa ary hitondrafahatakarana vao mainka maharitra sy lalina kokoa.

Afaka mahafantatra isika fa manomboka mahatakatra ilayfotopampianarana ny zanatsika rehefa hitantsika miseho enyamin’ ny toetrany sy ny fihetsiny izany na dia tsy arahinafampitahorana na fanomezana valisoa aza. Rehefa mianatra mbahahatakatra ireo fotopampianaran’ ny filazantsara ny zanatsikadia lasa mizaka tena bebe kokoa izy ireo ary lasa tompon’andraikitra kokoa. Lasa ampahany mitondra vahaolana eo amin’ireo fanamby atrehan’ ny fianakaviantsika izy ireo ary mitondraanjara biriky tsara eo amin’ ny tontolo iainana ao an-tokantranontsika sy eo amin’ ny fahombiazan’ nyfianakaviantsika.

Hampianatra ny zanatsika hahatakatra zavatra isika rehefamanararaotra ireo fotoana rehetra ahafahana mampianatra symanasa ny Fanahy ary maneho ohatra tsara sy manampy azy ireohiaina izay zavatra ampianarina azy.

Rehefa mijery ny mason’ ny ankizy kely iray isika diamahatsiaro an’ ilay hira hoe:

F I V O R I A N A A S A B O T S Y M A R A I N A

18

Page 25: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Zanaky ny Ray aho,Ka mba tohano re.Ampianaro ahy ny teninyHahaizako mandeha.

Tariho ampio, miarahaEo anilanay.Toroy ahy ny ataokoHiverina any indray.

(“Zanaky ny Ray Aho” (Fihirana sy Hiran’ ny ankizy, pejy 113;nampiana fanamafisana)

Enga anie isika hanatanteraka izany. Amin’ ny anaran’ i JesoaKristy amena.

C H E R Y L A . E S P L I N

19

Page 26: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Niova fo ao amin’ nyFilazantsarany amin’ nyalalan’ ny FiangonanyNataon’ ny Loholona Donald L. HallstromAo amin’ ny Fiadidian’ ny Fitopololahy

Ny hanampy antsika hiaina ny filazantsara no tanjon’ny Fiangonana.

Tiako ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy sy Ny Fiangonan’ i JesoaKristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany. Indraindray isikadia mampifanolosolo ny teny hoe filazantsara sy Fiangonana,kanefa tsy mitovy izy ireo. Na izany aza anefa dia mifampiankinasoa aman-tsara izy ireo ary samy ilaintsika.

Ny filazantsara dia ilay drafitra mahatalanjona izay an’Andriamanitra ary hanomezana fahafahana antsika, amin’ nymaha-zanany antsika, hahazo izay rehetra ananan’ ny Ray (jereony F&F 84:38). Antsoina hoe fiainana mandrakizay izany aryfaritana ho ilay “fanomezana lehibe indrindra amin’ nyfanomezan’ Andriamanitra rehetra” (F&F 14:7). Ampahanymanan-danja amin’ ilay drafitra ny fiainantsika eto an-tany—fotoana izay hampivoarantsika ny finoana (jereo nyMôrônia 7:26), sy hibebahana (jereo ny Môsià 3:12), aryhihavanana amin’ Andriamanitra (jereo ny Jakoba 4:11).

Koa satria ny fahalementsika eto an-tany sy ny fisian’ ny“fifanoherana amin’ ny zava-drehetra” (2 Nefia 2:11) diahahatonga ity fiainana ity ho sarotra tanteraka, ary satria tsyvitantsika ny manadio ireo otantsika manokana, dia nilaina nyfisian’ ny Mpamonjy iray. Rehefa nampahafantatra ny drafitry nyfamonjena i Elohima, ilay Andriamanitra Mandrakizay sy Rain’ny fanahintsika rehetra, dia nisy iray teo anivontsika izay niteny

F I V O R I A N A A S A B O T S Y M A R A I N A

20

Page 27: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

hoe: “Inty Aho, iraho Aho” (Abrahama 3:27). I Jehovah noanarany.

Nateraky ny Ray any an-danitra Izy, na ara-panahy na ara-batana, ka manana ny hery tsy manam-petra handresena an’ izaotontolo izao. Nateraky ny reny iray mety maty Izy ka niharan’ nyfanaintainana sy ny fijalian’ ny fiainana an-tany. Ilay Jehovahlehibe dia nomena anarana koa hoe Jesoa ary nantsoina koa hoeKristy, izay midika hoe Mesia na Ilay Voahosotra. Ny zava-bitanymanetriketrika dia ny Sorompanavotana, izany “nidinan’ [i Jesoailay Kristy] ho ambanin’ ny zava-drehetra” (F&F 88:6),nahafahany nanefa ny onitra ho antsika tsirairay avy hahazoanany fanavotana.

Naorina nandritra ny fiainan’ i Jesoa Kristy teto an-tany nyFiangonana, izay “natsangana teo ambonin’ ny fanorenan’ nyApôstôly sy ny mpaminany” (Efesiana 2:20). Amin’ izao“fitantanan’ ny fotoam-pahafenoana” (F&F 128:18) izao dianaverin’ ny Tompo indray ny zavatra izay nolazainy manokanatamin’ ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “hanorina fiangonanaamin’ ny alalanao Aho” (F&F 31:7). I Jesoa Kristy no lohan’ nyFiangonany hatrizay ka hatramin’ izao. Ireo mpaminany, izaymihazona ny fahefana maha-apôstôly azy ireo no misolo tenaAzy eto an-tany.

Fiangonana mahatalanjona tokoa ity. Ny rafitra ao aminy, nyfahombiazany, ary ny hatsarany tanteraka dia hajain’ ireo rehetraizay mikatsaka amim-piniavana ny hahafantatra izany. NyFiangonana dia manana fandaharan’ asa ho an’ ireo ankizy, ireotanora, ireo lehilahy ary ireo vehivavy. Manana trano fiangonanatsara tarehy izay mihoatra ny 18.000 izany. Manenika ny tanymanontolo ireo tempoly mirentirenty—miisa 136ankehitriny—miampy eo amin’ ny 30 eo an-dalam-pahavitana naefa nambara fa ho atsangana. Misy tafika ahitana misiônera amin’ny fotoana feno miisa 56.000, izay ahitana tanora sy efazokinjokiny, izay manompo any amin’ ny firenena 150. Ny asafanampiana olona maneran-tany ataon’ ny Fiangonana dia ohatramahatalanjona maneho ny fahalalahan-tanan’ ireo mpikambanaato amintsika. Ny rafitra fifanampiana misy eo amintsika diaentina hikarakarana ny mpikambana ao amintsika ary mivohy nyfizakan-tena amin’ ny fomba izay tsy mbola fahita na aiza na

D O N A L D L . H A L L S T R O M

21

Page 28: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

aiza. Ato amin’ ity Fiangonana ity dia manana mpitarika laïkafeno fandavan-tena isika ary fiaraha-monin’ ireo Olomasina izayfeno fanoloran-tena ny hifanompo amin’ ny endrinymahatalanjona. Tsy misy zavatra mitovy amin’ ity Fiangonana itymanerana an’ izao tontolo izao.

Tamin’ izaho teraka, ny fianakavianay dia niaina tamin’ nytrano kely teo an-tokontanin’ ny iray amin’ ireo trano fiangonanalehibe sy manan-tantara izay an’ ny Fiangonana, dia nyTabernakelin’ i Honolulu. Miala tsiny aho ankehitriny amin’ ireonamana malalako ao amin’ ny Episkôpà Mpiahy, izay miahy nyfananan’ ny Fiangonana, raha hiteny fa fony aho zazalahy kelydia nihanika sy nisitrika ary nilalao teo amin’ ny faritra rehetraamin’ izany toerana izany, manomboka hatraty amin’ nyfanambanin’ ny dobo izay feno rano mamirapiratra ka hatranyamin’ ny tampony tao anatin’ ny tafo mitsangana manaitra diamanaitra. Nanao savily mihitsy aza izahay (toy ireny fanaon’ iTarzan ireny) teo amin’ ireo rantsana lavabe mikirazorazon’ ireohazo “banians” izay hita eo amin’ io toerana io.

Zava-drehetra ho anay ny Fiangonana. Nanatrika fivoriam-piangonana maro izahay, mihoatra lavitra noho izay misy amin’izao fotoana izao. Isaky ny Alakamisy tolakandro izahay nomanatrika ny Kilonga. Ireo fivorian’ ny FikambananaIfanampiana dia isaky ny Talata maraina. Ireo fiaraha-mientanaifampizarana an’ ireo tanora dia atao isaky ny Alarobia hariva.Asa aman-danonan’ ny paroasy kosa ny Asabotsy. Ary nyAlahady maraina no handehanan’ ireo lehilahy sy zatovolahymanatrika ny fivorian’ ny fisoronana. Amin’ ny mitataovovonanany Sekoly Alahady ary amin’ ny hariva indray izahay miverinahanatrika ny fivoriana Fanasan’ ny Tompo. Rehefa jerena ireofifamezivezena sy fivoriana ireo dia toa lany amin’ nyfanatrehana ireo zavatra atao any am-piangonana ny Alahadinayiray manontolo sy ny ankamaron’ ireo andro hafa mandritra nyherinandro koa.

Noho ny tena fankafizako ny Fiangonana dia nandritra izanyfahazazako izany koa no sambany nahatsapako fa misy zavatraizay mbola tsara lavitra avy amin’ izany. Tamin’ ny faha-dimytaonako dia nisy fihaonambe goavana natao tao amin’ ilaytabernakely. Nandeha tamin’ ilay lalan-kely mandalo amin’ ny

F I V O R I A N A A S A B O T S Y M A R A I N A

22

Page 29: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

trano fonenanay izahay ary nandalo ilay tetezana kely izaymankany amin’ ilay trano fivoriana goavana ary nipetraka teoamin’ ny laharan-tseza faha-10 teo ho eo tao amin’ ilay tranofivavahana lehibe. Niahy sy nandaha-teny nandritra izanyfivoriana izany i David O. McKay, Filohan’ ny Fiangonana. Tsymahatadidy na inona na inona tamin’ izay zavatra noteneninyaho, fa saingy tsaroako mazava tsara kosa ny zavatra hitako sytsapako tamin’ izany. Nanao palitao ambony ambany milokofotsy somary manopy vony ny Filoha McKay ary ilay volonyfotsy tanteraka dia tsara hogo tokoa. Araky ny fomba misy anyamin’ ireo nosikely dia nosalorana fehi-tenda telo sosona vitatamin’ ny felam-boninkazo mena midorehitra izy. Rehefa nitenyizy dia nahatsapa zavatra somary mahery sy nahakasika ahymanokana aho. Taty aoriana vao takatro fa ny herin’ ny FanahyMasina no tsapako tamin’ izay. Nihira ny hira famaranana izahay.

Iza no miaraka amin’ ny Tompo? Iza?Izao no fotoana anehoana izany.Manontany amim-pahasahiana izahay hoe:Iza no miaraka amin’ ny Tompo? Iza?

(“Who’s on the Lord’s Side?” Hymns, no. 260)

Nohirain’ ny olona efa ho 2.000 ireo tononkira ireo kanefaamiko dia toy ny fanontaniana niantefa tamiko izany ary te-hitsangana aho tamin’ izany hamaly hoe: “Izaho!”

Misy ireo olona sasany no mieritreritra fa ny fahavitrihanaato am-piangonana no tanjona farany indrindra. Misy lozamitatao ao anatin’ ny finoana izany. Misy tokoa izany hoe mazotoato am-piangonana kanefa malaindaina amin’ ny filazantsara.Aleo ho hazavaiko kokoa: tanjona tena tsara tokoa ny hoemavitrika ato am-piangonana; kanefa tsy ampy izany. Nyfahavitrihana ato am-piangonana dia famantarana ety ivelany nyfaniriantsika ara-panahy. Raha manatrika ireo fivoriantsika isika,ka mihazona sy manatanteraka ny antsontsika ato am-piangonana ary manompo ny hafa dia hitan’ ny mason’ ny olonaizany.

Mifanohitra amin’ izany kosa anefa fa tsy hita loatra arysarotra refesina kokoa ny zavatra mikasika ny filazantsara,kanefa manana ny lanjany mandrakizay lehibebe kokoa. Ohatra,

D O N A L D L . H A L L S T R O M

23

Page 30: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

1.

2.

manao ahoana ny haben’ ny finoana tena ananantsika? Hatraizany fibebahantsika? Hatraiza ny lanjan’ ireo ôrdônansy eo amin’ny fiainantsika? Hatraiza ny fifantohantsika amin’ ireofanekempihavanana nataontsika?

Averiko indray: ilaintsika ny filazantsara sy ny Fiangonana.Raha ny marina dia ny hanampy antsika hiaina ny filazantsara notanjon’ ny Fiangonana. Manontany tena isika matetika hoe:Ahoana no mahatonga ny olona iray havitrika tanteraka ato am-piangonana mandritra ny fahatanorany ary aty aoriana lasa tsymazoto rehefa mihalehibe? Inona no mahatonga ny olon-dehibeiray izay nanatrika sy nanompo tsy tapaka kanefa lasa tsy tongaintsony? Ahoana no ahafahan’ ny olona iray izay disofanantenana tamin’ ny mpitarika iray na tamin’ ny mpikambanahafa iray hamela izany hampitsahatra ny fandraisany anjara atoam-piangonana? Ny antony angamba dia mety hoe tsy tenaniova fo tanteraka tamin’ ny filazantsara izy ireo—tamin’ ireozavatra mikasika ny mandrakizay.

Manolotra fomba telo lehibe aho izay hahatonga nyfilazantsara ho fototra iorenantsika:

Ampitomboy ny fahatakarantsika mikasika Ny Andriamanitra.Tena tsy maintsy ilaina ny fananana fahalalana sy fitiavanamaharitra an’ ireo olona telo ao amin’ ny atao hoe NyAndriamanitra. Mivavaha amin-kitsimpo amin’ ny Ray,amin’ ny anaran’ ny Zanakalahiny ary mikatsaha nyfitarihan’ ny Fanahy Masina. Ampiaraho amin’ ny vavaka nyfandalinana tsy tapaka sy fisaintsainana amim-panetren-tenamba hanorenana finoana tsy voahozongozona an’ i Kristy.“Fa ahoana moa no ahalalan’ ny olona iray ny tompo . . . izayvahiny aminy ary lavitry ny eritreriny sy ny fikasan’ nyfony?” (Môsià 5:13).

Mifantoha amin’ ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana. Raha toaka misy ôrdônansy manan-danja izay tokony mbola hotanterahana eo amin’ ny fiainantsika dia miomàna amim-piheverana ny handray azy ireo tsirairay. Avy eo dia milamanorina fifehezan-tena isika mba hiaina amim-pinoana nyfanekempihavanantsika, mampiasa tanteraka ny fanomezan’

F I V O R I A N A A S A B O T S Y M A R A I N A

24

Page 31: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

3.

ny fanasan’ ny Tompo. Maro amintsika no tsy voaovan’ nyhery manadio ananan’ izany araka ny tokony ho izy noho nytsy fahampian’ ny fanehoantsika fanajana an’ io ôrdônansymasina io.

Akambano ny filazantsara sy ny Fiangonana. Rehefa mifantokaamin’ ny filazantsara isika dia ho tonga fitahiana lehibekokoa eo amin’ ny fiainantsika ny Fiangonana. Rehefa tongaamin’ ireo fivoriantsika tsirairay isika ka niomana ny“[hikatsaka] ny fianarana amin’ ny alalan’ ny fandinihana arykoa amin’ ny alalan’ ny finoana” (F&F 88:118), dia ho tongampampianatra antsika ny Fanahy Masina. Raha toa ka nyhiala voly no hahatongavantsika dia matetika ho disofanantenana isika. Raha nanontaniana ny Filoha Spencer W.Kimball indray mandeha hoe: “Inona no ataonao rehefasendra manatrika fivoriana fanasan’ ny Tompo izay maha-monamonaina?” Ny valinteniny dia ity: “Tsy fantatro, satriambola tsy nanatrika fivoriana toy izany aho na dia iray aza”(nolazain’ i Gene R. Cook, tao amin’ ny “Learning Gospel IsLifetime Pursuit,” nataon’ i Gerry Avant, Church News, 24Mar. 1990, 10).

Tokony hiriantsika eo amin’ ny fiainana ny zava-nitrangataorian’ ny nitsidihan’ ny Tompo sy nanorenany ny Fiangonanytany amin’ ireo vahoaka tany amin’ ny Tontolo Vaovao. Hoy nysoratra masina hoe: “Ary ny zava-nitranga dia toy izany nonandehanany [izany hoe ny Mpianany] tany anivon’ nyvahoakan’ i Nefia manontolo, sy nitoriany ny filazantsaran’ iKristy tamin’ ny vahoaka rehetra eran’ ny lafin-tany; ary niova foho an’ ny Tompo ireny, sy tafatambatra tamin’ ny fiangonan’ iKristy, ary dia toy izany no nitahiana ny vahoaka tamin’ izanytaranaka izany, araka ny tenin’ i Jesoa” (3 Nefia 28:23).

Tian’ ny Tompo hiova fo tanteraka ho amin’ nyfilazantsarany ireo mpikamban’ ny Fiangonany. Izany no hanylalana azo antoka izay ahazoantsika fiarovana ara-panahyankehitriny ary fiadanana mandrakizay. Amin’ ny anaran’ i JesoaKristy, amena.

D O N A L D L . H A L L S T R O M

25

Page 32: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Tena Tia Antsika Tokoa IzyNataon’ ny Loholona Paul E. KoellikerAo amin’ ny Fitopololahy

Noho ilay fakantahaka avy any an-danitra izaynarafitra ho an’ ny fianakaviana dia takatsika tsarakokoa ny fomba tena hitiavan’ ny Ray any an-danitraantsika tsirairay amin’ ny fomba tsy miangatra syfeno.

Tiako ny miaraka amin’ ireo misiônera manompo amin’ nyfotoana feno. Vontom-pinoana sy fanantenana ary feno fiantranamarina izy ireo. Ny zavatra niainany mandritra ny maha-misiônera dia toy ny fiainana kely iray voafono ao anatin’ ny 18ka hatramin’ ny 24 volana. Tonga toy ny zaza ara-panahy izy ireoizay manana hetaheta mafy ny hianatra ary olon-dehibe matotraizy ireo rehefa mody, toa vonona ny hiatrika ireo fanamby rehetramiseho eo anoloan’ izy ireo. Tiako koa ireo misiônera mpivadyfeno fanoloran-tena, izay feno faharetana, sy fahendrena, aryfahatokiana tony. Mitondra ilay fanomezan’ ny tsy fiovaovana syfitiavana ho an’ ireo tanora feno tanjaka izay manodidina azy izyireo. Rehefa miaraka ny misiônera tanora sy ny misiônerampivady dia hery mahery vaika sy maharitra amin’ ny fanaovanany tsara, izay misy fiantraikany lalina eo amin’ ny fiainan’ izyireo sy amin’ ireo izay voakasiky ny asa fanompoana ataon’ izyireo.

Vao haingana aho no nihaino ny roa tamin’ ireo misiôneratanora manana ny maha izy azy ireo raha nanao tamberina nyzavatra niainany sy ny ezaka nataony izy ireo. Tao anatin’ izanyfotoana nisaintsainan’ izy ireo izany dia nandinika momba nyolona tsirairay izay nifampiresaka tamin’ izy ireo nandritra inyandro iny izy ireo, ny sasantsasany tamin’ izany dia olona izay

F I V O R I A N A A S A B O T S Y M A R A I N A

26

Page 33: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

nety nandray kokoa noho ny hafa. Rehefa nandinika ny toe-javatra izy ireo dia nametraka fanontaniana hoe: “Ahoana noahafahantsika manampy ny tsirairay hampivelatra ny fanirian’izy ireo hahafantatra bebe kokoa momba ny Ray any an-danitra?Ahoana no hanampiantsika azy ireny hahatsapa ny Fanahiny?Ahoana no hanampiantsika azy ireo hahafantatra hoe tiantsikaizy ireo?”

Azoko sary an-tsaina ireo tovolahy roa ireo telo taona na efa-taona taorian’ ny nahavitan’ izy ireo ny asa fitoriany. Hitako izyireo fa nahita ireo ho vadiny mandrakizay ary manompo aoamin’ ny kôlejin’ ny loholona na mampianatra andian-jatovolahyiray. Amin’ izay fotoana izay raha tokony hieritrerira mikasika nynaman’ ny Fiangonana izy ireo dia ho apetrak’ izy ireo iofanontaniana io mikasika an’ ireo mpikambana ao amin’ nykôlejin’ izy ireo na mikasika an’ ireo zatovolahynampandraiketina azy ireo mba ho beazina. Hitako ny fombaahafahan’ izy ireo mampiasa ny zavatra niainan’ izy ireo fonymisiônera mba ho entina hanampiana ny hafa mandritra nyandrom-piainan’ izy ireo manontolo. Rehefa miverina avy nanaoasa fitoriana ka mody any amin’ ireo firenena maro maneran-tanyio tafiky ny mpanara-dia marin-toetra io dia lasa mpandrayanjara manan-danja ao amin’ ny asa fanorenana ny Fiangonanaizy ireo.

Mety nisaintsaina ireo karazam-panontaniana napetraky nymisiônera ireo koa ny mpaminany Lehia, ao amin’ ny Bokin’ iMôrmôna, rehefa nihaino ny valintenin’ ny zanany lahy izymikasika ny fitarihana sy fahitana izay nomeny azy ireo: “Ary diatoy izany no nimonomononan’ i Lamàna sy i Lemoela izayzokiny indrindra, tamin-drainy. Izy ireo dia nimonomonona,satria tsy fantany ny fitondran’ ilay Andriamanitra izay efanahary azy ireo” (1 Nefia 2:12).

Angamba isika samy efa nahatsapa ny fahasorenana tsapan’ iLehia tamin’ ny zavatra niainany niaraka tamin’ ireozanakalahiny roa voalohany ireo. Rehefa eo anoloan’ ny ankizyiray manomboka manalavitra ny fahamarinana isika, na naman’ny Fiangonana tsy manolo-tena, na olona miomana ny holoholona fa tsy mandray anjara firy dia malahelo azy ireo tokoany fo tahaka ny an’ i Lehia ary manontany tena isika hoe ahoana

P A U L E . K O E L L I K E R

27

Page 34: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

no fomba ahafahako manampy azy ireo hahatsapa sy hihaino nyFanahy mba hahafahan’ izy ireo misoroka ireo rendrarendran’izao tontolo izao? Soratra masina roa no tonga ato an-tsaiko izayafaka manampy antsika hahita ny lala-kombana eo anivon’ ireorendrarendra ireo ary hahatsapa ny herin’ ny fitiavan’Andriamanitra.

I Nefia dia manome fanalahidy iray ho an’ ny varavaran’ nyfianarana amin’ ny alalan’ ny zavatra niainany manokana: “IzahoNefia dia, . . . efa nanam-paniriana lehibe ny hahafantatra nymistery momba an’ Andriamanitra, noho izany aho dia nitalahotamin’ ny Tompo; ary indro Izy tonga namangy ahy synampahalefaka ny foko hany ka nino ny teny rehetra izay efanolazain-draiko aho; koa tsy nikomy taminy tahaka nyrahalahiko aho” (1 Nefia 2:16).

Ny famohazana ny faniriana hahafantatra dia mamela ilayfahafaha-manaontsika ara-panahy handre ny feon’ ny lanitra. Nyfikatsahana fomba hamohazana sy hikolokoloana izany fanirianaizany no adidy sy andraikintsika tsirairay avy—ny misiônera, nyray aman-dreny, ny mpampianatra, ny mpitarika ary ireompikambana. Rehefa mahatsapa isika fa mitsiry ao am-pontsikaizany faniriana izany, dia vonona isika hahazo tombontsoa avyamin’ ny fianarana ilay soratra masina faharoa izay tiakohambara.

Tamin’ ny volana Jiona 1831, rehefa nanolorana antso ireompitarika ny Fiangonana tany am-piandohana, dia nolazaina iJoseph Smith fa “mivezivezy eran-tany i Satana, ary mivoaka izyhamitaka ireo firenena.” Mba hiadiana amin’ izany fitarihanamahavarimbariana izany, dia nilaza ny Tompo fa hanome antsika“ny fakantahaka amin’ ny zavatra rehetra [Izy], mba tsy ho azofitahina [isika]” (F&F 52:14).

Ny fakantahaka dia ohatra, fitarihana, dinganamiverimberina, na lalana arahin’ ny olona iray mba tsy hialanaamin’ ny tanjon’ Andriamanitra. Raha arahina izany, diahanampy antsika hanana fanetren-tena, sy ho taitra, ary hohanana fahafahana hamantatra ny feon’ ny Fanahy Masina eoanivon’ ireo feo izay mandrebireby sy mamily lalana antsika.Nanome torolalana antsika ny Tompo avy eo manao hoe: “Izaymangovitra noho ny heriko dia hohatanjahina ary hamoa ny

F I V O R I A N A A S A B O T S Y M A R A I N A

28

Page 35: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

voan’ ny fiderana sy ny fahendrena araka ny fanambarana sy nyfahamarinana izay efa nomeko anareo” (F&F 52:17).

Ny fitahiana avy amin’ ny vavaka feno fanetren-tena omban’ny tena finiavana, dia mamela ny Fanahy Masina hikasika nyfontsika ary manampy antsika hahatsiaro ireo zavatra izay efafantatsika talohan’ ny nahaterahantsika teto amin’ ity fiainana an-tany ity. Rehefa mazava amintsika ny drafitry ny Raintsika anyan-danitra ho antsika, dia manomboka mahafantatra nyandraikitsika isika eo amin’ ny fanampiana ny hafa hianatra syhahatakatra ny drafiny. Ny fifamatorana akaiky amin’ nyfanampiana ny olona hahatsiaro dia fomba iainantsika manokanany filazantsara sy ampiharantsika izany eo amin’ ny fiainantsika.Rehefa tena miaina marina ny filazantsara isika araky nyfankatahaka nampianarin’ ny Tompo Jesoa Kristy antsika, diahitombo ny fahafahantsika manampy ny hafa. Ity zava-nitrangamanaraka ity dia ohatra maneho ny fomba ahafahan’ ity fitsipikaity ho mahomby.

Nandondona tao amin’ ny trano iray ny misiônera vaoherotrerony roa, izay nanantena fa hahita olona handray nyhafatr’ izy ireo. Nisokatra ny varavarana, ary lehilahy goavanairay no nandray azy ireo tamin’ ny feo somary nitrerona: “Ohatryny efa nolazaiko anie ianareo tsy handondona ny varavarakointsony e! Efa nampitandrina anareo aho taloha fa raha mbolamiverina ianareo, dia hivadika toe-javatra ratsy izany.Mandehana mandeha any amin’ izay.” Nakatony haingana nyvaravarana.

Raha nandao ilay trano ireo elder, dia napetrak’ ilaymisiônera efa manana traikefa bebe kokoa teo an-tsorok’ ilaymisiônera vao tonga vao haingana ny sandriny mba hankaherysy handrisika azy. Tsy fantatr’ izy ireo akory hoe nitazana teo am-baravarankely ilay lehilahy mba hahazo antoka fa azon’ iretomisiônera ireto tsara ny hafatra nomeny. Izy dia tena nanantenany hahita azy ireo hihomehy sy hihanihany tamin’ ilay valintenyfeno tsy fahalalam-pomba rehefa nanandrana ny hamangy azyizy ireo. Kanefa rehefa hitany ny fifanehoana hatsaram-panahynisy teo amin’ ireto misiônera roa ireto dia tonga nihanalefaka nyfony. Novohany indray ny varavarana ary nangataka ireto

P A U L E . K O E L L I K E R

29

Page 36: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

misiônera roa ireto izy hiverina ary hizara aminy ny hafatr’ izyireo.

Amin’ ny fotoana izay hanaovantsika ny sitrapon’Andriamanitra sy iainantsika ny ohatra nasehony no ahatsapanany Fanahy Masina. Nampianatra ny Mpamonjy hoe: “Izany noahafantaran’ ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, rahamifankatia” (Jaona 13:35). Ity fitsipiky ny fifankatiavana sy nyfampivelarana ny fahafahantsika mifantoka amin’ i Kristy ity eoamin’ ny fomba fisainantsika, sy fomba firesatsika, ary amin’ nyzavatra ataontsika dia zava-dehibe ao anatin’ ny fahatongavanaho mpianatr’ i Kristy sy ho mpampianatra ny filazantsarany.

Ny famohazana izany faniriana izany dia manomana antsikahikaroka ilay fakantahaka nampanantenaina. Ny fikatsahana ireofakantahaka ireo dia mitarika antsika any amin’ nyfotopampianaran’ i Kristy izay nampianarin’ ny Mpamonjy syireo mpitarika izay mpaminaniny. Iray amin’ ireo fakantahaka aoamin’ ity fotopampianarana ity ny faharetana hatramin’ nyfarany: “Ary hotahina izay hikatsaka ny hampiorina an’ iZionako amin’ izany andro izany fa izy no handray nyfanomezana sy ny herin’ ny Fanahy Masina; ary raha maharitrahatramin’ ny farany izy dia hasandratra amin’ ny andro farany kahovonjena ao amin’ ny fanjakan’ ny Zanakondry izay maharitramandrakizay” (1 Nefia 13:37).

Inona no fomba faran’ izay lehibe indrindra ahafahantsikamahazo ny fanomezana sy ny herin’ ny Fanahy Masina? Izanydia ilay hery izay azo amin’ ny maha-mpanara-dia mahatokin’ iJesoa Kristy. Izany dia ny fitiavantsika Azy sy ny mpiara-belonaamintsika. Ny Mpamonjy no namaritra ilay fakantahaka eo amin’ny fitiavana rehefa nampianatra antsika Izy hoe: “Didy vaovaono omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny aoka hotahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa”(Jaona 13:34).

Ny Filoha Gordon B. Hinckley dia nanamafy ity fitsipika ityrehefa niteny hoe: “Ny hoe tiava ny Tompo dia tsy hoetorohevitra fotsiny; tsy hoe firariana tsara fotsiny. Fa tena didyizany. . . . Ny fitiavana an’ Andriamanitra no fakan’ ny hasinarehetra, ny hatsaran-toetra rehetra, sy ny herin’ ny toetra ananana

F I V O R I A N A A S A B O T S Y M A R A I N A

30

Page 37: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

rehetra ary ny fahitsim-po aman-tsaina rehetra hanao ny marina”(“Tenin’ ny Mpaminany Velona,” Liahona, Des. 1996, 8).

Nofaritan’ ilay drafitry ny Ray ny fakantahaka ho an’ nyfianakaviana mba ho entina hanampiana antsika hianatra, syhampihatra, ary hahatakatra ny herin’ ny fitiavana. Tamin’ nyandro nanorenana ny fianakaviako manokana dia nandeha tanyamin’ ny tempoly izaho sy i Ann malalako ary niditra tao anatin’ny fanekempihavanan’ ny fanambadiana. Noeritreretiko fa lehibedia lehibe ny fitiavako azy tamin’ io andro io, kanefa hay vaonanomboka nahatazana ny sombintsombin’ ny fitiavana fotsinyaho tamin’ izany. Rehefa tonga teo amin’ ny fiainanay ireozanakay sy zafikelinay tsirairay, dia nanomboka nivelatra nyfitiavanay azy ireo tamin’ ny fomba tsy miangatra ary feno. Toaohatry ny tsy misy farany izany fivelaran’ ny fahafahana mitiaizany.

Ny fahatsapana ny fitiavan’ ny Raintsika any an-danitra diatahaka ny hery misintona avy any an-danitra. Rehefa esorintsikaireo zavatra mahavarimbariana izay misintona antsika mankanyamin’ izao tontolo izao, ka ampiharintsika ny fahafahantsikamisafidy mba hikatsahana Azy, dia manokatra ny fontsika isikahahazo hery selestialy iray izay mampanatona antsikaakaikikaiky kokoa Aminy. I Nefia dia namariparitra nyfiantraikan’ izany ho “hatrany amin’ ny fahalevonan’ ny nofo[ny]aza” (2 Nefia 4:21). Io herin’ ny fitiavana io ihany no nahatongaan’ i Almà hihira ny “hiran’ ny fitiavana manavotra” (Almà 5:26jereo koa ny andininy 9). Tena nanohina an’ i Môrmôna izany kanahatonga azy nanoro hevitra antsika mba “hivavaka . . . amin’ny herin’ ny fon[tsika] manontolo,” mba hahazoana mamenoantsika amin’ izany fitiavany izany (Môrônia 7:48).

Na ny soratra masina taloha na ny maoderina dia samy fenofampahatsiahivana ny fitiavana mandrakizain’ ny Ray any an-danitra ho an’ ny zanany. Azoko antoka fa manolotra hatrany nysandriny ny Raintsika any an-danitra, vonona foana nyhisakambina ny tsirairay amintsika ary hiteny amintsika amin’ilay feo tony, sy mipaka hatrany amin’ ny aty fanahy hoe: “Tiakoianao.”

Noho ilay fakantahaka avy any an-danitra izay narafitra hoan’ ny fianakaviana dia takatsika tsara kokoa ny fomba tena

P A U L E . K O E L L I K E R

31

Page 38: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

hitiavan’ ny Ray any an-danitra antsika tsirairay amin’ ny fombatsy miangatra sy feno. Mijoro ho vavolombelona aho fa marinaizany. Fantatr’ Andriamanitra isika sady tiany. Nomeny fahitanamikasika an’ ilay fitoerany masina isika ary niantso mpaminanysy apôstôly Izy hampianatra ireo fitsipika sy fakantahaka izayhitondra antsika hiverina any Aminy. Rehefa miezaka mafy nyhamoha ny faniriana hahafantatra ao anatintsika sy ao amin’ nyhafa isika, ary rehefa miaina ny fakantahaka hitantsika isika diahanatona akaiky Azy. Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa noilay tena Zanakalahin’ Andriamanitra, Ilay Ohatra ho antsika,Mpanavotra malalantsika. Izany dia lazaiko amin’ ny anaran’ iJesoa Kristy, amena.

F I V O R I A N A A S A B O T S Y M A R A I N A

32

Page 39: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Ny SoronaNataon’ ny Loholona Dallin H. OaksAo amin’ ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifolo

Ny fiainantsika natokana ho an’ ny asa fanompoana syny sorona no fanehoana tsara indrindra an’ ilayfanoloran-tenantsika hanompo ny Tompo sy nympiara-belona amintsika.

Ny sorompanavotan’ i Jesoa Kristy dia nantsoina hoe “ilayzava-manan-danja indrindra tamin’ ny zava-nitranga rehetrananomboka hatrany amin’ ny fahariana ka hatrany amin’ nymandrakizay.”1 Izany sorona izany no ivon’ ny hafatr’ ireompaminany rehetra. Hita taratra mialoha izany tamin’ ny alalan’ny fanaovana sorona biby araky ny fitakian’ ny lalàn’ i Mosesy.Nanambara ny mpaminany iray fa ny tena dikan’ ireo lalànarehetra ireo dia “manondro izany sorona lehibe sady farany[izany] . . . dia ho ny Zanak’ Andriamanitra, eny, tsisy fetra arymandrakizay” (Almà 34:14). Niaritra fijaliana tsy takatry ny sainai Jesoa Kristy tamin’ ny fanolorana ny tenany ho sorona ho an’ nyfahotan’ ny olon-drehetra. Izany sorona izany dia nanolotra ilayfaran’ izay tsara indrindra—ilay Zanak’ ondrilahy tsy misykilema—handrakotra ny ratsy tena lehibe indrindra—dia nyfahotan’ izao tontolo izao. Hoy ny teny tsy hay hadinoinanolazain’ i Eliza R. Snow hoe:

Nalatsany ny rany soa,Nomeny ny ainy.Ny ota no sandainy,Ho fanavotana.”2

Io sorona io—ilay Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy—no ivon’ny drafitry ny famonjena.

D A L L I N H . O A K S

33

Page 40: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Ny fijaliana tsy hay takarina nozakain’ i Jesoa Kristy nonamarana ny fanaovana sorona amin’ ny alalan’ ny fandatsahan-dra, kanefa tsy namarana kosa ny maha-zava-dehibe ny soronaeo amin’ ny drafitry ny filazantsara izany. Ny Mpamonjy antsikadia mbola mitaky ny hanohizantsika ny fanolorana sorona,saingy ny sorona asainy ataontsika amin’ izao dia ny“[hanaterantsika] ho sorona ho [Azy] ny fo torotoro sy ny fanahymanenina” (3 Nefia 9:20). Nandidy antsika tsirairay koa izyhifankatia sy hifanompo—izany hoe, hanolotra soronamitovitovy amin’ ilay sorona nataony amin’ ny alalan’ nyfahafoizana ny fotoanantsika sy ireo zavatra maha-maika antsikaizay miendrika fitiavan-tena. Ao anatin’ ny fihirana iray fenofitaomam-panahy no hihirantsika hoe: “Ny fahasoavanahirotsaka tokoa, vokatry ny fahafoizantenany.”3

Hiresaka mikasika ireo sorona eto an-tany ireo aho, izayangatahin’ ny Mpamonjy mba hataontsika. Tsy horesahiko aoanatin’ izany ireo sorona izay terena mba hataontsika na zavatraatao izay mety ny fahazoana tombontsoa manokana nomandrisika antsika hanao izany mihoatra ilay asa fanompoana nailay sorona (jereo ny 2 Nefia 26:29).

I.Ny finoana Kristianina dia manana tantara mifono sorona ka

tafiditra ao anatin’ izany ilay sorona faran’ izay lehibe indrindra.Nandritra ireo taona maro tany am-piandohan’ ny vanim-potoana Kristianina dia namono ho maritiora olona an’ arivonynoho ny finoany an’ i Jesoa Kristy i Roma. Tao anatin’ ireotaonjato taty aoriana, rehefa nosaratsarahan’ ny tsy fitovian-kevitra ara-potopampianarana ny Kristianina dia nanenjika arytena namono mihitsy aza ireo mpikambana avy amin’ nyvondrona hafa ireo vondrona sasany. Ny Kristianina vonoin’ nyKristianina hafa no martiora tena mampalahelo indrindra teoamin’ ny finoana Kristianina.

Maro ireo Kristianina no nanolotra sorona tamin-tsitrapo izaynentanin’ ny finoana an’ i Kristy sy ny faniriana hanompo Azy.Ny sasany dia nisafidy ny hanolotra ny fiainana manontolo amin’ny maha-olon-dehibe azy mba hanompo ny Tompo. Izanyvondron’ olona mendri-kaja izany dia ahitana ireo fikambanan-drelijiozin’ ny Fiangonana Katôlika ary ireo izay nanompo

F I V O R I A N A A S A B O T S Y M A R A I N A

34

Page 41: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

nandritra ny androm-piainany tamin’ ny naha-misiôneraKristianina azy ao amin’ ny finoana Prôtestanta samihafa. Ireoohatra nasehon’ izy ireo dia sarotra sy manentana fanahy, kanefany ankamaroan’ ireo mpino an’ i Kristy dia sady tsy takiana notsy afaka hanokana ny fiainany manontolo hanao asafanompoana masina.

II.Ho an’ ny ankamaroan’ ny mpanara-dia an’ i Kristy dia

miompana amin’ ny fanaovana izay azontsika atao isan’ andro eoamin’ ny fiainantsika manokana andavanandro ny soronaataontsika. Raha ny amin’ izay lafiny izay dia tsy mahalalavondrona hafa izay manao sorona lehibe kokoa noho nyOlomasin’ ny Andro Farany aho. Ny sorona ataon’ izy ireo—nysorona ataonareo, ry rahalahy sy anabaviko isany—diamifanohitra amin’ ireo fikatsahana fahafaham-po ho an’ ny tenamanokana izay mahazatra an’ izao tontolo izao.

Ireo ohatra voalohany ho zaraiko dia ireo Môrmônampamaky lay. Ny sorona miavaka nataon’ izy ireo izaynamoizany ny ainy, sy ny fifandraisana ara-pianakaviana, sy nytokantranony ary ireo zavatra izay mahasoa azy no fototry nyfilazantsara naverina tamin’ ny laoniny. Niresaka mikasika nyzavatra izay nandrisika an’ ireto mpamaky lay ireto i Sarah Richrehefa niresaka mikasika an’ i Charles vadiny, izay nantsoinahanao asa fitoriana any an-toerana lavitra: “Tena fotoana sarotraizany na ho ahy na ho an’ ny vadiko, kanefa ny adidy no niantsoanay mba hisaraka mandritra ny fotoana fohy ary noho nyfahafantaranay fa nanao ny sitrapon’ ny Tompo izahay, diananana faniriana izahay ny hahafoy izay mety ho fahatsapan-javatra ananan’ ny tenanay manokana mba hanatontosana ilayasa . . . miompana amin’ ny fanampiana eo amin’ ny fanorenanany Fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany.”4

Amin’ izao andro izao, ny tanjaky Ny Fiangonan’ i JesoaKristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany izay tenamiharihary dia ny fanaovan’ ireo mpikambana ao aminy asafanompoana sy sorona tsy misy fitiavan-tena. Talohan’ nynamerenana nanokana ny iray tamin’ ireo tempolintsika diananontanian’ ny mpitondra fivavahana Kristiana iray ny FilohaGordon B. Hinckley hoe nahoana no tsy ahitana hazofijaliana eo

D A L L I N H . O A K S

35

Page 42: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

amin’ izany, izay mariky ny finoana Kristianina tena fahitamahazatra. Namaly ny Filoha Hinckley hoe ny mariky ny finoanaKristianina izay anananay dia “ny fiainan’ ireo olona ao aminay.”5

Tena marina tokoa fa ny fiainantsika natokana ho an’ ny asafanompoana sy ny sorona no fanehoana tsara indrindra an’ ilayfanoloran-tenantsika hanompo ny Tompo sy ny mpiara-belonaamintsika.

III.Tsy manana mpitondra fivavahana nofanina ho matihanina

sy karamaina Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ny Andro Farany. Vokatr’ izany, ireo mpikambana lahika izayvoantso hitarika sy hanompo eo anivon’ ny mpiangona dia tsymaintsy miandraikitra tanteraka ny fitantanana ireo fivoriam-piangonantsika, sy ireo fandaharan’ asantsika ary ireo fiaraha-mientantsika maro. Manao izany ho an’ ny vondron’ nympivavaka mihoatra ny 14.000 izy ireo raha eto Etazonia syKanada fotsiny no resahina. Mazava ho azy fa tsy isika ireryakory no manana lahika avy eo anivon’ ny mpiangona atoamintsika izay manompo ho mpampianatra sy mpitarika lahika.Kanefa ny fotoana atolotr’ ireo mpikambana ao amintsika mbahifanofanana sy hifanompoana dia be dia be lavitra tokoa. Ohatraamin’ izany ny ezaka ataontsika mba hanaovana izayhamangiana isam-bolana ny fianakaviana tsirairay eo anivon’ireo mpiangona ao amintsika amin’ ny alalan’ ireo mpampianatraisan-tokantrano sy hanaovana izay hitsidihan’ ireo mpamangyisan-tokantrano ao amin’ ny Fikambanana Ifanampiana isam-bolana ireo olon-dehibe vehivavy tsirairay. Tsy mahafantatra asafanompoana azo ampitahaina amin’ izany izahay ao anatin’ izaymety ho fikambanana misy manerana an’ izao tontolo izao.

Ny ohatra tena fantatra tsara indrindra mikasika ny asafanompoana sy fahafoizan-tena miavaka ataon’ ny Olomasin’ nyAndro Farany (OAF) dia ny asa ataon’ ireo mpitory filazantsara.Ankehitriny dia tovolahy sy tovovavy mihoatra ny 50.000 izy ireoary lehilahy sy vehivavy lehibe mihoatra ny 5.000. Manolotraenim-bolana ka hatramin’ ny roa taona ao anatin’ ny fiainany izyireo mba hampianarana ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy syhanaovana asa fanampiana olona any amin’ ny firenena mihoatrany 160 manerana an’ izao tontolo izao. Mitaky fanaovana sorona

F I V O R I A N A A S A B O T S Y M A R A I N A

36

Page 43: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

foana ny asan’ izy ireo, ka ao anatin’ izany ireo taona atolonyhanaovana ny asan’ ny Tompo sy ny sorona ataony hanomezanavola hiantohana ny tenan’ izy ireo.

Ireo izay mijanona ao an-tokantrano koa—ireo ray aman-dreny sy olona hafa ao amin’ ny fianakaviana—dia manao soronaamin’ ny famoizana ny fiarahana amin’ ireo zanakalahiny syzanakavaviny izay misiônera amin’ ny fandefasan’ izy ireo azyireo hanao izany. Ohatra, nandray ny antsony hitory nyfilazantsara ny tanora Bireziliana iray raha mbola tao anatin’ nyfamelomany ny rahalahiny sy ny anabaviny izy taorian’ nynahafatesan’ ny rainy sy ny reniny. Nisy ManampahefanaAmbony iray namaritra ny filan-kevitra nataon’ ireto ankizy iretoary nahatsiarovan’ izy ireo fa ireo ray aman-dreniny izay efanodimandry dia nampianatra azy ireo fa tokony ho vononalalandava izy ireo ny hanompo ny Tompo. Nanaiky ilay antsohitory ilay zatovolahy, ary ilay rahalahiny izay 16 taona indrayno nandray ilay andraikitra mba hiasa hamelomana nyfianakaviana.6 Maro amintsika no mahafantatra ohatra maro hafaizay maneho ny fanaovana sorona mba hanaovana asa fitorianana hanohanana mpitory filazantsara iray. Tsy mahafantatra asafanompoana sy fanaovana sorona amin-tsitrapo tahaka izanyisika any amin’ izay mety ho fikambanana hafa any amin’ izaotontolo izao.

Matetika izahay no misy manontany hoe: “Ahoana nohandresenareo lahatra ireo tanora sy olona zokinjokiny izaympikambana ao aminareo handao ny fianarany na ny fotoanafisotroan-drononony mba hanao sorona toy izany?” Maro ireoreko nanome izao fanazavana izao: “Ny fahafantarana ny zavatranataon’ ny Mpamonjy ho ahy—Ny fahasoavany tao anatin’ nyfijaliany noho ny fahotako sy ny fandreseny ny fahafatesana mbahahafahako hiaina indray—dia tsapako ho toy ny voninahitra hoahy ny manao ilay sorona kely izay angatahina amiko hofanompoana Azy. Te-hizara ny fahalalana izay natolony ahyaho.” Ahoana no handresenay lahatra ireo mpanara-dia an’ iKristy toy izany mba hanompo? Hoy ny mpaminany iray hoe:“Angatahanay [fotsiny] izy ireo hanao izany.”7

Ireo sorona hafa ateraky ny fanaovana asa fitoriana dia nysorona ataon’ ireo izay mandray andraikitra eo anatrehan’ ny

D A L L I N H . O A K S

37

Page 44: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

fampianaran’ ireo misiônera ary lasa mpikamban’ nyFiangonana. Ho an’ ireo olona niova fo maro dia tena goavanaireo sorona natao ireo ka tafiditra ao anatin’ izany nyfahatapahan’ ny finamanana amin’ ireo namana sasany sy nyfifandraisana amin’ ny fianakaviana.

Nandritra ny fihaonambe iray, taona maro lasa izay, nonandrenesantsika mikasika ny tovolahy iray izay nandray nyfilazantsara naverina tamin’ ny laoniny rehefa nianatra tatyEtazonia. Rehefa akaiky ny fotoana hiverenan’ ity tovolahy ity hoany amin’ ny tany niaviany dia nanontany azy ny FilohaGordon B. Hinckley mikasika izay hitranga aminy rehefahiverina hody izy ka efa lasa Kristianina. “Ho diso fanantenanatanteraka amiko ny fianakaviako,” hoy ny navalin’ ilay tovolahy.“Mety ho roahin’ izy ireo aho ary ho raisiny ho toy ny efa maty.Raha ny mikasika ny hoaviko sy ny asako dia hikatona amikodaholo ny varavarana rehetra.”

“Moa ve ianao vonona ny hahafoy zavatra goavana toy izanynoho ny filazantsara?” hoy ny Filoha Hinckley nanontany.

Tamin-dranomaso no namalian’ ity tovolahy ity azy hoe:“Moa tsy marina ve izy ity, sa tsy izany?” Rehefa nekena izanydia namaly izy hoe: “Ka inona no zava-dehibe ankoatr’ izany?”8

Izany no toe-tsaina amam-panahy vonona hanao sorona ananan’ny mpikambana vaovao maro eo anivontsika.

Ohatra maro hafa mikasika ny asa fanompoana sy nyfanaovana sorona no miseho eo amin’ ny fiainan’ ireompikambana mahatoky ao amintsika izay manompo any amin’ireo tempolintsika. Ny asa fanompoana atao any amin’ nytempoly dia tsy hita afa-tsy eo anivon’ ny Olomasin’ ny AndroFarany, kanefa tokony ho afaka hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fanaovana sorona toy izany ireo Kristianina rehetra.Tsy manana fombafomba mikasika ny fanaovana asafanompoana any amin’ ny mônastera akory ny Olomasin’ nyAndro Farany, kanefa isika dia mbola afaka mahatakatra symanaja ny sorona ataon’ ireo olona izay entanin’ ny finoanaKristianina ananany hanolotra ny fiainany hanao izany asam-pivavahana izany.

Nandritra ny fihaonambe tahaka izao, herintaona lasa izay,dia nizara ohatra mikasika ny fanaovana sorona izay misy

F I V O R I A N A A S A B O T S Y M A R A I N A

38

Page 45: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

ifandraisany amin’ ny tempoly ny Filoha Thomas S. Monson.Nisy raim-pianakaviana Olomasin’ ny Andro Farany mahatokyiray izay nipetraka tany amin’ ny nosikely lavitra iray tanyPasifika, izay nanao asa mitaky herim-batana goavana tany amin’ny toerana lavitra azy nandritra ny enin-taona mba hahazoanavola ampy hitondrana ny vadiny sy ireo zanany 10 mianadahyhanatanteraka fanambadiana sy famehezana mandrakizay anyamin’ ny Tempolin’ i Nouvelle-Zélande. Nanazava ny FilohaMonson hoe: “Ireo izay mahatakatra ny fitahiana mandrakizayizay azo avy amin’ ny tempoly dia mahafantatra fa tsy misyfahafoizan-tena lehibe loatra, na saran-dalana lafo loatra, naolana izay sarotra loatra ka tsy ahafahana mandray ireo fitahianaireo.”9

Izaho dia feno fankasitrahana noho ny amin’ ireo ohatramahafinaritra ahitana fanehoana fitiavana, sy fanaovana asafanompoana ary fanaovana sorona amin’ ny fomba Kristianinaizay hitako eo anivon’ ireo Olomasin’ ny Andro Farany. Hitakoianareo manatontosa ny antsonareo ato am-piangonana, izaymatetika ao anatin’ ny fanolorana betsaka ny fotoana sy izayananana. Hitako ianareo manao asa fitoriana ka avy any am-paosinareo no andoavanareo izay rehetra ilaina amin’ izany.Hitako ianareo manolotra amin-kafaliana ny fahaiza-manaonareoeo amin’ ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo. Hitakoianareo mikarakara ny mahantra amin’ ny alalan’ ny ezakaataonareo manokana sy amin’ ny alalan’ ny fitondrana ny anjarabiriky ao amin’ ny fandaharan’ asa fifanampiana sy nyfandaharan’ asa fanampiana olona ato amin’ ny Fiangonana.10

Ireo rehetra ireo dia manamafy ny filazana avy tamin’ nyfanadihadiana iray natao manerana ny firenena fa ireompikamban’ Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ny Andro Farany dia “manao asa an-tsitrapo sy manolotrazavatra mihoatra lavitra noho ny ankamaroan’ ireo Amerikanaary tena malala-tanana kokoa aza eo amin’ ny fanolorana fotoanasy vola raha oharina amin’ ireo [20 isan-jato] izay manolotra beindrindra raha ireo olona mpino eto Amerika no resahina.”11

Ireo ohatra toy izany dia manamafy orina antsika rehetra.Mampahatsiahy antsika ny fampianaran’ ny Mpamonjy izany:

D A L L I N H . O A K S

39

Page 46: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

“Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà nytenany. . . .

“Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy;ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia hahazoizany” (Matio 16:24–25).

IV.Angamba ireo ohatry ny asa fanompoana sy fanaovana

sorona tsy mifono fitiavan-tena izay tena mahazatra sy manan-danja indrindra dia ireo izay atao any anatin’ ny fianakaviantsika.Manolo-tena hitaiza sy hikarakara ireo zanany ireo reny. Tsymitandro hasasarana hamelomana ireo vady aman-janany ireoray. Ireo fanaovana sorona izay tafiditra ao anatin’ ilay asafanompoana manan-danja mandrakizay ho an’ nyfianakaviantsika dia maro loatra raha ho tanisaina ary efamahazatra loatra ka tsy dia ilaina holazaina.

Hitako ihany koa ireo Olomasin’ ny Andro Farany tsy mbatia tena izay manangan-jaza, ao anatin’ izany ireo zaza izay milafanampiana manokana, ary mikatsaka ny hanome an’ ireo zanakanankinin’ ny fanjakana tamin’ izy ireo ny fanantenana sy nytombontsoa izay tsy mba nomena azy ireo noho ny toe-javatraniainany teo aloha. Hitako ianareo mikarakara ireo olona aoamin’ ny fianakaviana sy ireo mpifanolobodirindrina izaymanana fahasembanana hatrany am-bohoka, na manana olanaara-tsaina na ara-batana, na olana vokatry ny fahanterana. Hitan’ny Tompo koa ianareo, ary nasainy nambaran’ ny mpaminaninyhoe: “arakaraky ny ifanaovanareo sorona sy ny hanaovanareosorona ho an’ ny zanakareo no hitahian’ ny Tompo anareo.”12

Izaho dia mino fa ireo Olomasin’ ny Andro Farany izaymanao asa fanompoana sy sorona tsy misy fitiavan-tena aoanatin’ ny fitsaohana ny Mpamonjy amin’ ny alalan’ nyfanarahana ny ohatra nataony dia tafiditra bebe kokoa ao anatin’ny fananana ireo soatoavina mandrakizay noho izay mety hovondron’ olona hafa. Ny fanaovany sorona ny fotoanany sy izayananany dia raisin’ ny Olomasin’ ny Andro Farany ho anisan’ nyfianarana sy fiomanan’ izy ireo ho amin’ ny mandrakizay.Fahamarinana iray nambara tao amin’ ny Lectures on Faith, izany,izay mampianatra fa “ny finoana izay tsy mitaky fanaovanasorona ny zava-drehetra dia tsy hanana hery ampy entina

F I V O R I A N A A S A B O T S Y M A R A I N A

40

Page 47: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

1.

2.

3.

4.

5.

6.

7.

8.

9.

10.

11.

12.

13.

hiteraka ny finoana ilaina ho an’ ny fiainana sy ny famonjena. . . .Amin’ ny alalan’ izany fanaovana sorona izany, ary amin’ nyalalan’ izany ihany, no nilazan’ Andriamanitra fa hahazoan’ nyolombelona ny fiainana mandrakizay.”13

Tahaka ny maha-ivon’ ny drafitry ny famonjena nysorompanavotan’ i Jesoa Kristy dia tokony hanao sorona avyamintsika manokana koa isika mpanara-dia an’ i Kristy mbahanomana ilay hoavy izay atolotr’ ilay drafitra ho antsika.

Fantatro fa i Jesoa Kristy no Zanaka Lahitokan’Andriamanitra, ilay Ray Mandrakizay. Fantatro fa noho nysorompanavotana nataony dia manana antoka isika hahazo nytsy fahafatesana sy ny fahafahana hahazo ny fiainanamandrakizay. Izy no Tompontsika sy Mpamonjy antsika aryMpanavotra antsika, ary mijoro ho vavolombelona ny Aminy ahoamin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.

FanamarihanaBruce R. McConkie, The PromisedMessiah: The First Coming of Christ(1981), 218.“Endrey fahendrena, fitia,” Fihiranasy Hiran’ ny Ankizy, pejy 37.“Dera ho an’ ilay nandre an’ iJehovah,” Fihirana sy Hiran’ nyAnkizy, p. 100.Sarah Rich, ao amin’ nyGuinevere ThomasWoolstenhulme, “I Have SeenMany Miracles,” ao amin’ nyedisiona nataon’ i Richard E.Turley Jr. sy Brittany A. Chapman,Women of Faith in the Latter Days:Boky 1, 1775–1820 (2011), 283.Gordon B. Hinckley, “The Symbolof Our Faith,” Liahona, Apr. 2005, 3.Jereo ny Harold G. Hillam,“Sacrifice in the Service,” Ensign,Nôv. 1995, 42.Gordon B. Hinckley, “The Miracleof Faith,” Liahona, Jolay 2001, 84.

Gordon B. Hinckley, “It’ s True, Isn’t It?” Tambuli, Ôkt. 1993, 3–4; jereokoa ny Neil L. Andersen, “It’ sTrue, Isn’ t It? Then What ElseMatters?” Liahona, Mey 2007, 74.Thomas S. Monson, “Ny TempolyMasina—Fanilo ho an’ IzaoTontolo Izao,” Liahona, Mey 2011,91–92.Jereo, ohatra ao amin’ ny, NaomiSchaefer Riley, “What the MormonsKnow about Welfare,” Wall StreetJournal, Feb. 18, 2012, A11.Ram Cnaan and others, “Called toServe: The Prosocial Behavior ofActive Latter-day Saints” (draft),16.Ezra Taft Benson, “To the SingleAdult Brethren of the Church,”Ensign, Mey 1988, 53.Lectures on Faith (1985), 69.

D A L L I N H . O A K S

41

Page 48: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Tendrombohitra hoHanihanaNataon’ ny Filoha Henry B. EyringMpanolotsaina Voalohany ao amin’ ny Fiadidiana Voalohany

Raha manam-pinoana an’ i Jesoa Kristy isika dia hofitahiana ho antsika na ireo fotoana faran’ izay mafy naireo fotoana mora indrindra eo amin’ ny fiainantsika.

Reko ny Filoha Spencer W. Kimball nandritra ny fivorianairain’ ny fihaonambe nangataka mba homen’ Andriamanitratendrombohitra ho hanihana. Hoy izy hoe: “Fanamby lehibemaro no miandry antsika, fahafahana manao zava-tsoa goavanaho atrehina. Raisiko amin-kafaliana izany zavatra hitrangamampientanentana izany ary te-hiteny amim-panetren-tenaamin’ ny Tompo aho hoe: ‘Omeo ahy izany tendrombohitraizany,’ omeo ahy ireo fanamby ireo.”1

Nientana ny foko, noho ny fahafantarako tsara ny sasanytamin’ ireo fanamby sy fahoriana efa natrehiny. Nanam-panirianaaho ny hitovy bebe kokoa aminy, izay mpanompo maherifo an’Andriamanitra. Koa dia nivavaka aho indray alina mba hiatrikafitsapana hanombantombanako ny herimpoko. Tena mbolatsaroako tsara izany. Nandohalika nivavaka aho indray alina taoamin’ ny efitrano fatoriako niaraka tamin’ ny finoana izay toananenika ny foko.

Tao anatin’ ny iray na roa andro dia nivaly ny vavakanataoko. Nanaitra sy nampanetry tena ahy ilay fitsapana faran’izay mafy indrindra teo amin’ ny fahatanorako. Nanome ahylesona anankiroa izany. Voalohany, nanana porofo mazava aho fanandre sy namaly ny vavaka nataoko tamim-pinoanaAndriamanitra. Ary ny faharoa kosa dia nanomboka nianatralesona iray aho izay mbola tohizako ianarana hatramin’ izao

F I V O R I A N A A S A B O T S Y M A R A I N A

42

Page 49: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

mikasika ny antony nahatsapako fahatokian-tena toy izanytamin’ iny alina iny fa misy fitahiana lehibe mety ho tonga avyamin’ ny fahoriana, izay hanonitra mihoatra lavitra noho izaymety ho sarany.

Ankehitriny ilay fahoriana izay natrehiko tamin’ izanyfotoana efa elabe izany dia toa bitika raha oharina amin’ ireo izayefa nitranga taty aoriana―tamiko sy tamin’ ireo olon-tiako. Maroaminareo ankehitriny no mandalo fitsapana ara-batana, sy ara-tsaina ary ara-pihetsehampo izay mety mahatonga anareohikiakiaka tahaka ny nataon’ ny mpanompon’ Andriamanitralehibe sy mahatoky iray izay fantatro tsara tokoa. Nandre azynihiaka noho ny fanaintainana teo ambonin’ ny fandriany nympitsabo-mpanampy nikarakara azy, nanao hoe: “Efa niezaka nynanao ny tsara aho nandritra ny androm-piainako koa nahoanano mitranga amiko izao zavatra izao?”

Fantatrareo ny fomba namalian’ ny Tompo izanyfanontaniana izany tamin’ ny Mpaminany Joseph Smith tamin’izy tao am-ponja:

“Ary raha hatsipy any an-davaka ianao na eo an-tanan’ ireompamono olona, ary handalo aminao ny fanamelohana ho faty;raha hatsipy any amin’ ny lalina ianao; raha mikomy aminao nyalon-drano misamboaravoara; raha manjary fahavalonao nyrivotra mahery; raha manangona haizina ny lanitra, ary miraytsikombakomba ny singa rehetra mba hamefy ny lalana; aryambonin’ izany rehetra izany, raha ireo valanoranon’ ny helo nohampitanatana ny vavany mba hitelina anao, dia fantaro anaka,fa ireo zavatra rehetra ireo dia hanome anao traikefa ary ho soaho anao izany.

“Efa nidina tambanin’ izany rehetra izany ny Zanak’ Olona.Moa va ianao lehibe kokoa noho Izy?

“Koa hazòny ny lalanao dia hitoetra eo aminao ny fisoronana;fa efa voatendry ny fetran’ izy ireo ka tsy afa-mihoatra izy.Fantatra ny andronao ary tsy hahena ny taonanao, koa azamatahotra izay mety hataon’ ny olona, fa homba anaomandrakizay mandrakizay Andriamanitra.”2

Toa tsy misy valiny tsara kokoa ho an’ ny fanontanianamikasika ny antony hisian’ ny fitsapana sy ny tokony hataontsikamihoatra noho ny tenin’ ny Tompo tenany mihitsy, izay nandalo

H E N R Y B . E Y R I N G

43

Page 50: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

fitsapana nangidy lavitra amintsika noho izay azontsikanoeritreretina.

Tsaroanareo ny teniny rehefa nanoro hevitra antsika Izy fatokony hibebaka isika vokatry ny finoantsika Azy:

“Koa didiako ianao hibebaka—mibebaha, fandrao hamelyanao amin’ ny tsorakazon’ ny vavako sy amin’ ny fisafoako aryamin’ ny fahatezerako Aho ary ho mamaivay nyfijalianao—mamaivay manao ahoana, tsy fantatrao, mangirifirymanao ahoana, tsy fantatrao, eny, sarotra zakaina manao ahoana,tsy fantatrao.

“Fa indro, Izaho Andriamanitra dia efa nijaly tamin’ ireozavatra rehetra ireo ho an’ ny rehetra, mba tsy hahatonga azy ireohijaly raha mibebaka;

“Nefa raha tsy mety mibebaka izy ireo dia tsy maintsy mijalytahaka Ahy;

“Fijaliana izay nahatonga ny Tenako, Ilay Andriamanitra,Ilay lehibe indrindra noho ny rehetra, hangovitra noho nyfangirifiriana sy hivoa-dra amin’ ny mason-koditra rehetra, aryhijaly na vatana na fanahy—ary niriko ny mba tsy hisotroako ilaykapoaka mangidy sy hitakemotra—

“Kanefa, voninahitra anie ho an’ ny Ray, ary nosotroiko izanyary novitaiko izay efa nomaniko ho an’ ny zanak’ olombelona.”3

Izaho sy ianao dia manam-pinoana fa ny fomba hihoarana syhandresena ireo fitsapana dia ny finoana fa misy “balsama anyGileada”4 ary hoe efa nampanantena ny Tompo hoe “tsy . . .hahafoy anao Aho.”5 Izany no zavatra nampianarin’ ny FilohaThomas S. Monson antsika mba hanampiana antsika sy ireo izaytompointsika mandritra ny fitsapana izay toa mahatrotraka sy toaireny hoe isika irery izany no miatrika azy.6

Kanefa ny Filoha Monson dia nampianatra tamim-pahendrena koa fa ny fototry ny finoana manoloana ny fisian’ireo fampanantenana dia mitaky fotoana mba hanorenana azy.Mety efa nahita ny antony ilana izany fototra ioeranana izanyianao, tahaka ny efa nahitako izany, teo anilan’ ny fandrian’ nyolona iray izay mitady hilavo lefona teo amin’ ny ady mbahaharetana hatramin’ ny farany. Raha tsy miorim-paka tsara aoam-pontsika ny fototra iorenan’ ny finoana dia hirodana ny heryahafahana maharitra.

F I V O R I A N A A S A B O T S Y M A R A I N A

44

Page 51: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Ny tanjoko anio dia ny hamariparitra ny zavatra fantatromikasika ny fomba ahafahantsika manorina izany fototra tsyvoahozongozona izany. Amim-panetren-tena lehibe nohanaovako izany noho ny antony roa. Voalohany, ny zavatraholazaiko dia mety hahakivy ireo izay sahirana mafy ao anatin’ny fahoriana lehibe ary mahatsapa fa mirodana tsikelikely nyfototra iorenan’ ny finoany. Ary faharoa, fantatro fa fitsapanalehibe kokoa noho ny hatramin’ izay no miandry ahy alohan’ nyhifaranan’ ny fiainako. Noho izany, ny torohevitra izay arosokoanareo dia mbola ilaina ho porofoina eo amin’ ny fiainakomanokana amin’ ny alalan’ ny faharetana hatramin’ ny farany.

Fony aho zatovolahy dia niasa tamin’ ny orinasa iraympiantoka ny fanaovana lafi-pototra sy fototra ho an’ ny tranovao haorina. Nandritra ny hafanan’ ny fotoam-pahavaratra diaasa mafy tokoa ny manomana ny tany hametrahana ny lasitraizay handrotsahana ny simenitra ho an’ ny lafi-pototra. Tsy nisymilina tamin’ izany. Nampiasa angady sy angady fandraofambeizahay. Asa mafy tokoa tamin’ izany fotoana izany ny fanorenanafototra mafy orina sy maharitra ho an’ ireo trano haorina.

Nitaky faharetana koa izany. Rehefa avy nandrotsaka ny lafi-pototra izahay dia niandry izany ho maina aloha. Na dia tianayaok’ izany aza ny hanohy ny asa dia tsy maintsy niandry ihanykoa izahay aorian’ ny nandrotsahana ny fototra alohan’ nyhanalana ireo lasitra.

Ary ny tena mahazendana ho an’ ny mpanangan-trano izayzazavao amin’ ny asa dia ilay dingana mahasorena sy mandanyfotoana izay ametrahana ireo tsora-by ao anatin’ ilay lasitra mbahahamafy tanteraka ilay fototra rehefa vita.

Mitovy amin’ izany fomba izany koa ny tsy maintsyhanomanana amim-pitandremana tsara ny fototra iorenan’ nyfinoantsika mba hahatohitra ireo tafio-drivotra izay handalo eoamin’ ny fiainantsika tsirairay. Izany fototra mafy orina iorenan’ny finoana izany dia ny fahamarinan-toetran’ ny tena manokana.

Ny fisafidianantsika ny tsara lalandava rehefa manoloanaantsika ny safidy no manorina ilay tany mafy hijoroan’ nyfinoantsika. Afaka manomboka any amin’ ny fahazazana izanysatria ny fanahy tsirairay dia teraka miaraka amin’ ilayfanomezana ny Fanahin’ i Kristy izay maimaim-poana. Amin’ ny

H E N R Y B . E Y R I N G

45

Page 52: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

alalan’ izany Fanahy izany no ahafantarantsika hoe nanao nytsara teo anoloan’ Andriamanitra isika sa nanao ny ratsy teoimasony.

Ireo safidy ireo, izay miseho an-jatony maro amin’ nyankamaroan’ ny andro, dia manomana tany mafy izayhanorenana ny tranon’ ny finoantsika eo amboniny. Ilay rafitra vỳizay handrotsahana ny ventin’ ny finoantsika manodidina azy diany filazantsaran’ i Jesoa Kristy, miaraka amin’ nyfanekempihavanana, sy ôrdônansy ary fitsipika rehetra izay aoanatiny.

Ny iray amin’ ireo fanalahidy hananana finoana maharitradia ny fandanjalanjana tsara ny fotoana izay takiana mbahiorenany sy haniriany faka. Izany no antony tsy nahamety nyfivavahako aloha loatra teo amin’ ny fiainako mba hahazotendrombohitra avoavo kokoa hihanihana sy fitsapana lehibekokoa ho atrehana.

Izany fiorenana mafy izany dia tsy tongatonga ho azy rehefamandeha ny fotoana, fa tena mitaky fotoana izany. Ny fitomboan’ny taona fotsiny dia tsy ampy hahatanteraka izany. Nyfanompoana an’ Andriamanitra sy ny hafa tsy ankiato amin’ nyfo sy fanahy manontolo no mahatonga ny fijoroana hovavolombelon’ ny fahamarinana ho lasa tanjaka ara-panahy tsymety rava.

Ankehitriny aho dia te-hamporisika ireo izay miatrikafitsapana goavana, izay mahatsapa fa mety hanjavona ny finoan’izy ireo manoloana an’ ireo olana tsy misy fiafarany. Iny olanamianjady amin’ ny tena iny dia mety efa fomba iray hahafahanaomanamafy ny finoana ary amin’ ny farany ahafahanao mananafinoana tsy ho voahozongozona. I Môrônia, zanakalahin’ iMôrmôna ao amin’ ny Bokin’ i Môrmôna dia nilaza tamintsika nyfomba hahatanteraka izany fitahiana izany. Nampianatra ilayfahamarinana tsotra sy tsara izy hoe ny fanaovana asa miarakaamin’ ny fananana finoana na dia kely fotsiny aza dia hamela an’Andriamanitra hampitombo izany:

“Ary ankehitriny, izaho Môrônia dia somary hiresaka ihanyny momba ireny zavatra ireny; tiako haseho izao tontolo izao fany finoana dia ny zavatra izay antenaina nefa tsy hita; koa azamitohika, satria tsy mahita ianareo, fa tsy mandray fijoroana ho

F I V O R I A N A A S A B O T S Y M A R A I N A

46

Page 53: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

vavolombelona ianareo raha tsy aorian’ ny fizahan-toetra nyfinoanareo.

“Fa tamin’ ny finoana no nanehoan’ i Kristy ny tenany tamin’ny razantsika, rehefa avy nitsangana tamin’ ny maty Izy; ary tsynaneho ny tenany taminy Izy raha tsy efa nananany ny finoanaAzy; koa tsy maintsy ilaina ny nananan’ ny sasany finoana Azy,satria tsy naneho ny tenany tamin’ izao tontolo izao Izy.

“Nefa noho ny finoan’ ny olona no efa nanehoany ny tenanytamin’ izao tontolo izao sy nankalazany ny anaran’ ny Ray arynanomanany ny lalana izay hahatonga ireo hafa ho mpandrayanjara amin’ ny fanomezam-pahasoavana avy any an-danitra,mba hahazoany manantena ireo zavatra ireo izay tsy hitany.

“Koa, ianareo dia mety hanana fanantenana koa sy ho tongampandray anjara amin’ ny fanomezam-pahasoavana raha tsy tehanana afa-tsy finoana ianareo.”7

Izany ampahany sarobidy amin’ ny finoana izany izaytokony ho arovanao sy ho ampiasainao amin’ izay ahafahanaomampiasa azy dia ny finoana ny Tompo Jesoa Kristy.Nampianatra ny herin’ izany finoana izany arak’ izao fomba izaoi Môrônia: “Ary koa tsy nisy na iza na iza, na tamin’ ny fotoanainona na tamin’ ny fotoana inona, nahavita fahagagana raha tsytaorian’ ny ninoany; koa, nino ny Zanak’ Andriamanitra izyaloha.”8

Efa nahita vehivavy iray aho izay nandray fahagagana tamin’ny fahazoana tanjaka ampy hiatrehana ireo fahalasan’ olona marotsy takatry ny saina tamin’ ny fahafahana nahavita tsotra fotsinyniteny tsy ankijanona ireto teny ireto, dia hoe: “Velona ilayMpanavotra ahy.”9 Izany finoana izany sy ireo teny mifonofijoroana ho vavolombelona ireo dia teo foana na dia tao anatin’ilay zavozavo izay nanamaizina fa tsy namafa velively nyfahatsiarovany ny fahazazany aza.

Nampitolagaga ahy koa ny nahita ny vehivavy iray izaynamela heloka ny olona izay nanao ratsy taminy nandritra nytaona maro. Gaga aho ary nanontany azy hoe nahoana izy nonisafidy ny hamela sy hanadino ireo taona niaretana haratsian-toetra toy izany.

Namaly tsimoramora izy hoe: “Izany no zavatra sarotraindrindra nataoko hatrizay kanefa fantatro fotsiny hoe tsy

H E N R Y B . E Y R I N G

47

Page 54: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

maintsy manao izany aho. Dia nataoko izany.” Ny finoany fa nyMpamonjy dia hamela heloka azy raha toa izy ka mamela ny hafadia nanomana azy hanana fahatsapana fiadanana sy fanantenanarehefa niatrika ny fahafatesana izy volana vitsivitsy monjataorian’ ny namelany heloka an’ ilay fahavalony tsy nibebaka.

Nanontany ahy izy hoe: “Rehefa ho tonga any aho dia metyhanao ahoana izany hoe any an-danitra izany?”

Ary hoy aho hoe: “Fantatro fotsiny avy tamin’ ny nahitakoilay fahafahanao nampihatra finoana sy namela heloka fahahafinaritra ny fandraisana anao any.”

Manana fankaherezana iray hafa aho ho an’ ireo izaymanontany tena ankehitriny raha ampy ny finoany an’ i JesoaKristy haharetan’ izy ireo hatramin’ ny farany. Fitahiana ho ahyny nahafantatra ireo olona sasany aminareo izay mihaino etoankehitriny fony ianareo mbola tanora kokoa, sy natanjaka arymanan-tsaina kokoa noho ny ankamaroan’ ireo izay manodidinaanareo, kanefa nisafidy ianareo ny hanao ny zavatra izay honataon’ ny Mpamonjy koa. Tao anatin’ ireo fitahiana maroazonareo dia nahita fomba ianareo hanampiana sy hikarakaranaireo olona izay mety ho tsy noraharahianareo na honankahalainareo teo amin’ ny fiainana niainanareo.

Rehefa tonga ny fitsapana mafy dia ho eo foana ilay finoanaahafahana miaritra izany, miorina araky ny hitanao ankehitrinysaingy mety tsy hitanao akory tamin’ ny fotoana izaynampiharanao izany, eo amin’ ny fitiavana madion’ i Kristy,manompo sy mamela heloka ny hafa tahaka izay ho nataon’ nyMpamonjy. Manorina ny fototry ny finoana ianao amin’ nyalalan’ ny fanehoana fitiavana toy ny nitiavan’ ny Mpamonjy aryamin’ ny alalan’ ny fanompoana Azy. Ny finoanao Azy nonitarika anao haneho fiantrana izay hitondra fanantenana hoanao.

Tsy tara na oviana na oviana ny fanamafisana ny fototry nyfinoana. Misy foana ny fotoana. Afaka mibebaka sy mangatakafamelan-keloka ianao amin’ ny alalan’ ny finoanao ny Mpamonjy.Misy olona izay azonao omena famelana. Misy olona izay azonaohanehoana fisaorana. Misy olona izay azonao tompoina syatraka. Afaka manao izany ianao na aiza na aiza misy anao ary nadia manirery sy mahatsiaro ho nilaozana aza ianao.

F I V O R I A N A A S A B O T S Y M A R A I N A

48

Page 55: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Tsy afaka ny hampanantena aho hoe hisy fiafarany nyfahorianao eto amin’ ity fiainana ity. Tsy afaka ny hanome antokaanao aho fa ho mandritra ny fotoana fohy ihany ny fitsapanahianjady aminao. Ny iray amin’ ireo endrika mampiavaka nyfitsapan’ ny fiainana dia ny hoe toa mampiadana tanteraka nyfihodin’ ny famantaranandro izany ary avy eo toa mampijanonaizany mihitsy.

Misy antony mahatonga izany. Mety tsy hanomefankaherezana ho anao akory ny fahafantarana an’ ireo antonyireo, kanefa afaka hanome anao faharetana. Avy amin’ ny zavatrairay daholo ireo antony ireo: noho ilay fitiavan’ izy ireo tongalafatra anao, dia tian’ ny Ray any an-danitra sy ny Mpamonjy homendrika ny hiaraka amin’ izy ireo ianao mba hiaina amin’ nymaha-fianakaviana mandrakizay. Ireo izay voadio tanterakatamin’ ny alalan’ ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy ihany noafaka ho any.

Niady mafy tamin’ ny homamiadana ny reniko tao anatin’ ny10 taona latsaka kely. Isan’ ny fitsapana ho azy ireo fitsaboana syfandidiana ary farany ny tsy fahafahany nihetsika teo am-pandriany.

Tsaroako ny raiko teo am-panatrehana azy niala aina nitenyhoe: “Nandeha nody mba hiala sasatra any an-trano ny zazavavykely iray.”

Iray tamin’ ireo mpandahateny nandritra ny fotoam-pandevenana azy ny Filoha Spencer W. Kimball. Tao anatin’ nyfanomezam-boninahitra farany nolazainy mikasika azy, diatsaroako ny teny iray tahak’ izao: “Mety mieritrerira ny sasanyaminareo hoe nijaly nandritra ny fotoana ela sy nijaly be tokoa iMildred noho ny zavatra tsy nety iray izay nataony ka nitakyfisedrana. Hoy izy avy eo hoe: “Tsia, tian’ Andriamanitra fotsinyizy mba hamiratra bebe kokoa.” Tsaroako aho tamin’ izayfotoana izay nieritreritra hoe: “Raha vehivavy tsara toy izao azambola nila fampamirapiratana be toy izao, dia hanao ahoanaizany ny ahy?”

Raha manam-pinoana an’ i Jesoa Kristy isika dia ho fitahianaho antsika na ireo fotoana faran’ izay mafy na ireo fotoana moraindrindra eo amin’ ny fiainantsika. Ao anatin’ izany toe-javatrarehetra izany isika dia afaka misafidy ny tsara eo ambany

H E N R Y B . E Y R I N G

49

Page 56: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

1.

2.

3.

4.5.

6.

7.8.9.

10.

fitarihan’ ny Fanahy. Manana ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy isikaizay mamolavola sy mitarika ny fiainantsika raha toa ka misafidyizany. Afaka miaina eo am-pananana fanantenana tonga lafatrasy fahatsapana fiadanana isika noho ny fananana mpaminanymanambara amintsika ny toerana misy antsika eo amin’ nydrafitry ny famonjena. Tsy tokony hahatsapa velively isika hoeirery na tsy tiana ao anatin’ ny fanompoana ny Tompo, satria tsytoy izany velively isika. Afaka mahatsapa ny fitiavan’Andriamanitra isika. Nampanantena ny Mpamonjy fa ireo anjelydia ho eo ankaviantsika sy ankavanantsika, mba hanohanaantsika.10 Ary mitazona ny teny nambarany foana Izy.

Mijoro ho vavolombelona aho fa velona Andriamanitra Rayary Ilay Zanakalahy Malalany no Mpanavotra antsika. Nanamafyny fahamarinana ny Fanahy Masina nandritra ity fihaonambe ityary mbola hanao izany rehefa mikatsaka izany ianareo, kamihaino ary koa mandalina any aoriana ireo hafatra avy amin’ireo mpanompo nahazo lalana avy amin’ ny Tompo izay eto. NyFiloha Thomas S. Monson no mpaminanin’ ny Tompo ho an’ izaotontolo izao manontolo. Miambina anareo ny Tompo. VelonaAndriamaitra Ray. Jesoa Kristy Zanany Malala, no Mpanavotraantsika. Tsy manam-petra ny fitiavany. Izany no ijoroako hovavolombelona amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.

FanamarihanaSpencer W. Kimball, “Give Me ThisMountain,” Ensign, Nôv. 1979, 79.Fotopampianarana syFanekempihavanana 122:7–9.Fotopampianarana syFanekempihavanana 19:15–19.Jeremia 8:22.Josoa 1:5.

Jereo ny Thomas S. Monson, “Lookto God and Live,” Ensign, Mey1998, 52–54.Etera 12:6–9.Etera 12:18.“Velona ilay Mpanavotra ahy,”Fihirana sy Hiran’ ny Ankizy, lah. 76.Jereo ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 84:88.

F I V O R I A N A A S A B O T S Y M A R A I N A

50

Page 57: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

F I V O R I A N A A S A B O T S Y T O L A K A N D R O | 3 1 M a r t s a 2 0 1 2

Fanohanana ireoMpiandraikitra ato amin’ny FiangonanaAtolotry ny Filoha Dieter F. UchtdorfMpanolotsaina Faharoa ao amin’ ny Fiadidiana Voalohany

Angatahina isika hanohana an’ i Thomas Spencer Monson hompaminany sy mpahita ary mpanambara ary Filohan’ NyFiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany, iHenry Bennion Eyring ho Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ nyFiadidiana Voalohany, ary i Dieter Friedrich Uchtdorf hoMpanolotsaina Faharoa ao amin’ ny Fiadidiana Voalohany.

Ireo izay manohana dia aoka haneho izany.Ireo izay manohitra, raha misy, dia aoka haneho izany.Angatahina isika hanohana an’ i Boyd Kenneth Packer ho

Filohan’ ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifolo, ary hanohana an’ireto manaraka ireto ho mpikambana ao amin’ izany kôlejy izany:Boyd K. Packer, L. Tom Perry, Russell M. Nelson, Dallin H. Oaks,M. Russell Ballard, Richard G. Scott, Robert D. Hales, Jeffrey R.Holland, David A. Bednar, Quentin L. Cook, D. ToddChristofferson, ary i Neil L. Andersen.

Ireo izay manohana dia iangaviana haneho izany.Raha misy manohitra dia afaka maneho izany koa.Angatahina isika hanohana ireo mpanolotsaina ao amin’ ny

Fiadidiana Voalohany sy ireo Apôstôly Roambinifolo hompaminany, mpahita ary mpanambara.

Izay rehetra manohana dia iangaviana haneho izany.Raha misy manohitra, aoka haneho tahaka izany ihany koa.Ny Loholona Steven E. Snow dia nisaorana tamin’ ny naha-

mpikambana azy tao amin’ ny Fiadidian’ ireo Kôlejin’ nyFitopololahy.

51

Page 58: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Ireo izay te-hiaraka aminay haneho fankasitrahana azy, diaafaka maneho izany.

Angatahina isika hanohana ny Loholona Richard J. Maynesho mpikambana ao amin’ ny Fiadidian’ ireo Kôlejin’ nyFitopololahy.

Izay rehetra manohana dia iangaviana haneho izany.Ireo izay manohitra, raha misy, dia aoka haneho izany.Aroso amintsika mba hisaorana ny Loholona isany Gérald

Jean Caussé sy Gary E. Stevenson tamin’ ny naha-mpikambanaazy ireo tao amin’ ny Kôlejy Voalohan’ ny Fitopololahy.

Ireo rehetra izay manohana aoka haneho izany.Taorian’ ny taona maro nanompoana tamim-pahatokiana sy

tamim-pahombiazana, dia aroso amintsika ny hisaorana nyEveka isany H. David Burton, Richard C. Edgley, sy Keith B.McMullin tamin’ ny naha-Episkòpà Mpiahy azy ireo, ary nyhanendrena azy ireo ho Manampahefana Ambony misotroronono.

Ireo izay afaka miaraka aminay haneho fankasitrahana azyireo dia aoka haneho izany.

Naroso mba hisaorana ireto Fitopololahin’ ny Vondrom-paritra manaraka ireto, izay hihatra manomboka ny 1 Mey 2012:

Richard K. Ahadjie, Climato C. A. Almeida, Fernando J. D.Araújo, Marvin T. Brinkerhoff, Mario L. Carlos, Rafael E. Castro,David L. Cook, César A. Dávila, Mosiah S. Delgado, Luis G.Duarte, Juan A. Etchegaray, Stephen L. Fluckiger, J. RogerFluhman, Robert C. Gay, Miguel Hidalgo, Garith C. Hill, David J.Hoare, David H. Ingram, Tetsuji Ishii, Kapumba T. Kola, GlendonLyons, R. Bruce Merrell, Enrique J. Montoya, Daniel A. Moreno,Adesina J. Olukanni, Gamaliel Osorno, Patrick H. Price,Marcos A. Prieto, Paulo R. Puerta, Carlos F. Rivas, A. RicardoSant’Ana, Fabian L. Sinamban, Natã C. Tobias, Stanley Wan,Perry M. Webb, Richard W. Wheeler, ary Scott D. Whiting

Ireo izay te-hiaraka aminay haneho fankasitrahana noho nyasa fanompoana mahatalanjona vitan’ izy ireo dia afaka manehoizany.

Aroso amintsika ny hisaorana an-dRahavavy isany Julie B.Beck, sy Silvia H. Allred ary Barbara Thompson miaraka amin’

F I V O R I A N A A S A B O T S Y T O L A K A N D R O

52

Page 59: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

ny fanehoana fankasitrahana amin-kitsim-po tamin’ ny naha-fiadidian’ ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany azy ireo.

Torak’ izany koa dia arosonay ny fisaorana ireo mpikambanaao amin’ ny filankevi-pitantanana ny Fikambanana IfanampianaManeran-tany.

Ireo rehetra izay te-hiaraka aminay haneho fankasitrahanaan’ ireo rahavavy ireo noho ny asa fanompoana niavaka sy nyfanoloran-tenany dia iangaviana haneho izany.

Aroso mba ho tohanantsika ho mpikambana vaovao ao amin’ny Kôlejy Voalohan’ ny Fitopololahy i Craig A. Cardon,Stanley G. Ellis, Larry Echo Hawk, Robert C. Gay, ary i Scott D.Whiting.

Ireo rehetra izay manohana, aoka haneho izany.Ireo izay manohitra aoka haneho tahak’ izany ihany koa.Aroso mba ho tohanantsika i Gary E. Stevenson ho Eveka

Mpiahy an’ Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ nyAndro Farany, miaraka amin’ i Gérald Jean Caussé hoMpanolotsaina Voalohany ary i Dean Myron Davis hoMpanolotsaina Faharoa.

Ireo izay manohana aoka haneho izany.Sao misy manohitra.Angatahina isika hanohana ireto manaraka ireto ho

Fitopololahin’ ny Vondrom-paritra vaovao:Pedro U. Adduru, Detlef H. Adler, Angel H. Alarcon, Aley K.

Auna Jr., W. Mark Bassett, Robert M. Call, Hernando Camargo,Gene R. Chidester, Joaquin E. Costa, Ralph L. Dewsnup, Ángel A.Duarte, Edward Dube, Moroni Gaona, Taylor G. Godoy,Francisco D. N. Granja, Yuriy A. Gushchin, Richard K. Hansen,Todd B. Hansen, Clifford T. Herbertson, Aniefiok Udo Inyon,Luiz M. Leal, Alejandro Lopez, L. Jean Claude Mabaya, Alvin F.Meredith III, Adonay S. Obando, Jared R. Ocampo, Adeyinka A.Ojediran, Andrew M. O’Riordan, Jesus A. Ortiz, Fred A. Parker,Siu Hong Pon, Abraham E. Quero, Robert Clare Rhien, Jorge LuisRomeu, Jorge Saldívar, Gordon H. Smith, Alin Spannaus,Moroni B. Torgan, Steven L. Toronto, ary i Daniel Yirenya-Tawiah.

Ireo izay manohana, aoka mba haneho izany.Sao dia misy manohitra.

D I E T E R F . U C H T D O R F

53

Page 60: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Angatahina isika hanohana an’ i Linda Kjar Burton hofilohan’ ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany, miarakaamin’ i Carole Manzel Stephens ho mpanolotsaina voalohany syLinda Sheffield Reeves ho mpanolotsaina faharoa.

Ireo izay manohana aoka haneho izany.Izay manohitra dia afaka maneho izany.Angatahina isika hanohana ireo Manampahefana Ambony

hafa, ireo Fitopololahin’ ny Vondrom-paritra ary ireo fiadidian’ny vondrona fanampiny maneran-tany araka izay misyankehitriny.

Ireo izay manohana dia iangaviana haneho izanyRaha misy manohitra dia afaka maneho izany.Ry Filoha Monson, raha ny fahitako azy dia niray feo

nanohana ireo hevitra naroso ny tato amin’ ny foiben’ nyfihaonambe.

Misaotra anareo ry rahalahy sy anabavy noho nyfanohananareo, noho ny finoanareo, sy ny fanoloran-tenanareoary ny vavakareo tsy tapaka.

Asaintsika ireo Manampahefana Ambony vao voantso teo syny fiadidian’ ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany mbahandroso ary haka ny toerany ety aloha.

F I V O R I A N A A S A B O T S Y T O L A K A N D R O

54

Page 61: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Tatitry ny DepartemantaFanamarinana nyFampiasam-bolan’ nyFiangonana, taona 2011Atolotr’ i Robert W. CantwellFiloha mpitantana, Departemanta Fanamarinana ny Fampiasam-bolan’ny Fiangonana

Ho an’ ny Fiadidiana Voalohan’ Ny Fiangonan’ i JesoaKristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany

Ry Rahalahy malala: Araka ny voalazan’ ny fanambarana aoamin’ ny fizarana faha-120 ao amin’ ny Fotopampianarana syFanekempihavanana dia ny Filankevitry ny Fitantanana nyFahafolonkarena no manome lalana ny hampiasana ny volan’ nyFiangonana. Io filankevitra io dia ahitana ny FiadidianaVoalohany sy ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifolo ary nyEpiskôpà Mpiahy.

Io Filankevitra io no manapaka ny teti-bola ho an’ ireodepartemanta sy tetik’ asa samihafa ato amin’ ny Fiangonana aryny vola omena ireo fari-piadidiana ara-pivavahana. Ireodepartemantan’ ny Fiangonana, rehefa nahazo lalana, diamampiasa ny vola araky ilay teti-bola nekena sy araky ny rafitrasy fomba fiasan’ ny Fiangonana.

Ny Departemanta Fanamarinana ny Fampiasam-bolan’ nyFiangonana dia nahazo fahefana hanara-maso ireo firaketana syireo rafitra rehetra ilaina mba hanatanterahana ny fanaraha-masoaraky ny tokony ho izy amin’ ireo vola niditra, sy vola nivoaka,ary ny fitehirizana ny vola raisin’ ny Fiangonana. NyDepartemanta Fanamarinana ny Fampiasam-bolan’ ny

R O B E R T W . C A N T W E L L

55

Page 62: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Fiangonana dia tsy miankina amin’ ireo departemanta sy asa hafaato amin’ ny Fiangonana, ary izy io dia mampiasa mpitam-bolavoamarina izay manana mari-pahaizana ara-panjakana,mpanamarina ny fampiasam-bola anatiny izay manana mari-pahaizana ara-panjakana, mpiandraikitra ny rafitry ny seraseraizay manana mari-pahaizana ara-panjakana, ary olonamatihanina itokisana hafa koa.

Araky ny fanaraha-maso natao, dia maneho ny heviny nyDepartemanta Fanamarinana ny Fampiasam-bolan’ nyFiangonana fa, raha ny mikasika ny zavatra ara-materialyrehetra, dia voarakitra sy voatantana araky ny fomba fitantananaara-dalàna sy araky ny teti-bola nekena ary araky ny rafitra syfomba fiasan’ ny Fiangonana ny anjara biriky voaray, sy nyfandaniam-bola natao, ary ny fidiram-bolan’ ny Fiangonanatamin’ ny taona 2011.

Natao tatitra tamim-panajana,Ny Departemanta Fanamarinana ny Fampiasam-bolan’ ny

FiangonanaRobert W. CantwellTale Mpitantana

F I V O R I A N A A S A B O T S Y T O L A K A N D R O

56

Page 63: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Tatitra mikasika nyAntontan’ isa ho an’ nyTaona 2011Atolotr’ i Brook P. HalesMpitantsoratry ny Fiadidiana Voalohany

Ho fampahafantarana ny mpikamban’ ny Fiangonana, nyFiadidiana Voalohany dia namoaka ity tatitra manaraka ity izaymomba ny antontan’ isa mikasika ny fivoarana sy ny toetoetry nyFiangonana tamin’ ny 31 Desambra 2011 teo.

Vondron’ ny FiangonanaTsatòka 2.946

Misiôna 340

Distrika 608

Paroasy sy Sampana 28.784

Mpikamban’ ny FiangonanaTotalin’ ny Mpikambana 14.441.346

Ireo Zaza vao Notsofina rano Voarakitratato am-piangonana nandritra ny taona2011

119.917

Ireo Olona Niova fo natao Batisa nandritrany taona 2011

281.312

MisiôneraMisiônera Mitory amin’ ny Fotoana Feno 55.410

Misiônera mpanao asa fanompoana etoamin’ ny Fiangonana

22.299

B R O O K P . H A L E S

57

Page 64: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

TempolyTempoly Notokanana nandritra ny taona2011 (San Salvador El Salvador syQuetzaltenango Guatemala)

2

Tempoly Naverina notokanana tamin’ ny2011 (Atlanta Georgia)

1

Tempoly amperin’ asa 136

Ireo Mpiandraikitra Ambony teo Aloha sy Olona Hafa tatoamin’ ny Fiangonana izay Nodimandry nanomboka tamin’ny Fihaonamben’ ny Fiangonana volana Aprily tamin’ nyTaon-dasa

Ny Loholona isany Marion D. Hanks, Jack H Goaslind Jr., Monte J.Brough, Ronald E. Poelman, Keith W. Wilcox, ary i Harold G. Hillam.Izy rehetra ireo dia tao amin’ ny Kôlejin’ ny Fitopololahy teoaloha; Rahavavy isany Joy F. Evans sy Chieko N. Okazaki, efa samympanolotsaina tao amin’ ny fiadidian’ ny FikambananaIfanampiana maneran-tany; Rahavavy Norma Voloy Sonntag,vadin’ ny Loholona Philip T. Sonntag, mpikambana tao amin’ nyKôlejin’ ny Fitopololahy teo aloha; Rahavavy Leola George, vadynavelan’ ny Loholona Lloyd P. George, mpikambana tao amin’ nyKôlejin’ ny Fitopololahy teo aloha; Rahavavy Argelia Villanuevade Alvarez, vadin’ ny Loholona Lino Alvarez, mpikambana taoamin’ ny Kôlejin’ ny Fitopololahy teo aloha ihany koa; aryRahalahy Wendell M. Smoot Jr., filohan’ ny Amboarampeon’ nyTabernakely teo aloha.

F I V O R I A N A A S A B O T S Y T O L A K A N D R O

58

Page 65: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Ireo Mpiasa ao amin’ nyTanimboalobokaNataon’ ny Loholona Elder Jeffrey R. HollandAvy ao amin’ ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifolo

Henoy ny bitsiky ny Fanahy Masina izay milazaaminareo amin’ izao fotoana izao mihitsy hoe tokonyhanaiky ny sorompanavotana nomen’ i Jesoa KristyTompo ianareo.

Raha mikasika ireo antso sy fisaorana vao avy nambaran’ nyFiadidiana Voalohany teo dia mamelà ahy ianareo hiteny amin’ny anaranay rehetra fa hotsaroanay sy ho tianay foana ireo izaynanompo tamim-pahatokiana tokoa, toy ny tonga dia hitiavanaysahady sy handraisanay an’ ireo izay voantso hanompo.Mankasitraka sy mankatelina anareo tsirairay izahay.

Te-hiresaka momba ilay fanoharan’ ny Mpamonjy aho izayahitana an’ ilay tompon-trano iray izay “nivoaka marainahanakarama mpiasa.” Rehefa avy nampiditra niasa ny vondron’olona voalohany izy tamin’ ny 6 ora maraina, dia niverina tamin’ny 9 ora maraina, sy tamin’ ny 12 ora atoandro ary tamin’ ny 3ora tolakandro mba hampiditra mpiasa bebe kokoa satria ilainamaika ny fanangonana ny vokatra. Milaza ny soratra masina faniverina farany izy tamin’ ny “ora fahiraika ambin’ ny folo” (teoamin’ ny 5 ora hariva teo), ary dia nampiditra niasa an’ ilayvondron’ olona farany. Avy teo dia ora iray monja tao aorian’izany dia nivory ireo mpiasa mba handray ny karamanynandritra ilay andro. Nahagaga fa ny rehetra dia nandray karamamitovy na dia samy hafa aza ny ora niasana. Tonga dia tezitra ireoizay nampidirina niasa voalohany ary nilaza hoe: “Ireo olonafarany ireo dia niasa ora iray monja, kanefa ataonao mitovyaminay, izay niaritra ny fahatrotrahana sy ny hainandro.”1 Rehefa

J E F F R E Y R . H O L L A N D

59

Page 66: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

mamaky ity fanoharana ity ianareo dia mety nahatsapa toa an’ireo mpiasa ireo koa fa hoe misy ny tsy rariny eto. Mamelà ahyianareo mba hiresaka fohifohy mikasika izany olana izany.

Voalohany indrindra dia tsara ny manamarika fa tsy nisyolona niharan’ ny tsy rariny mihitsy teto. Nanaiky ilay karamafeno ho raisina mandritra ilay andro ireo mpiasa voalohany arydia nahazo an’ izany izy ireo. Ankoatra izany dia azo an-tsainamihitsy fa tena feno fankasitrahana izy ireo nahazo an’ ilay asa.Tamin’ ny fotoanandron’ ny Mpamonjy, ny lehilahy sy nyfianakaviany tamin’ ny ankapobeny dia tsy afaka nanao inonafiry afa-tsy ny miaina amin’ izay azony iny andro iny. Raha toaianao ka tsy miasa na miompy na manjono na mivarotra dia tenatsy hihinana ianao. Noho ny fahabetsahan’ ireo olona te-hiasamihoatra noho ny habetsaky ny asa misy dia tena tsara vintanaireo lehilahy voalohany ireo tao anatin’ ilay vondron’ olona te-hiasa tamin’ io maraina io.

Marina tokoa fa raha toa ka misy olona tokony ho nanehoanafangorahana dia tokony ireo lehilahy izay tsy voafidy nohanehoana izany, farafaharatsiny tany am-boalohany, satria mbamanana fianakaviana ho fahanana sy ho tafiana koa izy ireo. Nysasany amin’ izy ireo anefa dia toa tsy mba tsara vintana velively.Isaky ny fitsidihan’ ilay tompon’ ny tanimboaloboka nandritra ioandro io dia olona hafa foana no hitan’ izy ireo voafidy.

Kanefa rehefa nifarana ny andro, dia niverina tampokafanindiminy indray ilay tompon-trano ary nanao tolotra miavakatamin’ ny ora fahiraika ambin’ ny folo! Ireto mpiasa farany sadykivy indrindra ireto, rehefa nandre fotsiny fa hahazo ny anjaranykoa dia nanaiky ilay asa na dia tsy fantatr’ izy ireo akory aza izaykarama, saingy fantatr’ izy ireo fa aleo mihinan-kely toy izaymandry fotsy, ary izay no niainan’ izy ireo hatreo. Dia rehefanivory izy ireo mba handray ny karamany avy dia tena taitra izyireo fa nandray karama nitovy tamin’ ny hafa rehetra! Tena metyho taitra be tokoa izy ireo ary mety ho tena feno fankasitrahanatokoa! Azo antoka fa mbola tsy nahita fangorahana toy izanyvelively izy ireo hatramin’ izay niasany.

Noho izany fahatakarana ny zava-nitranga tao anatin’ ilaytantara izany no nahatsapako fa tokony ho jerena koa nyfimonomononan’ ireo mpiasa voalohany. Hoy ilay tompon-trano

F I V O R I A N A A S A B O T S Y T O L A K A N D R O

60

Page 67: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

tao amin’ ilay fanoharana tamin’ izy ireo hoe (ary kely fotsiny nyfanovana ataoko): “Ry namako, tsy miangatra anareo izany aho.Nanaiky ilay karama ao anatin’ ny andro iray ianareo ary karamatsara izany. Faly ianareo nahazo ilay asa ary faly tamin’ ny fombafiasanareo aho. Nomena karama feno ianareo. Raiso nykaramanareo ary ifalio ny fitahiana azonareo. Ary raha mikasikaireo olon-kafa, dia mazava ho azy fa malalaka tsara aho hanao izaytiako hatao amin’ ny volako manokana.” Dia ity ilay fanontanianasomary manindrona ihany ho an’ ny olona tamin’ izany sy ho an’ny olona amin’ izao fotoana izao izay mila maheno izany:“Nahoana ianao no hialona satria nisafidy ny ho tsara fanahy aho?”

Ry rahalahy sy rahavavy, hisy ny fotoana eo amin’ nyfiainantsika izay hahazoan’ ny olona hafa fitahiana tsynampoizina na mari-pankasitrahana manokana. Miangavyanareo aho mba tsy ho tafintohina—ary indrindra mba tsyhialona mihitsy—rehefa mahazo fitahiana ny olona hafa iray. Tsyhoe lasa maivan-danja izany isika rehefa mahazo zavatra bebekokoa ny hafa. Tsy mifaninana izany isika samy isika mbahahitana izay manan-karena indrindra na manan-talentaindrindra na tsara tarehy indrindra na koa aza hoe izay voatahybe indrindra. Ny fifaninana tena ataontsika dia ny fifaninanahanohitra ny fahotana, ary azo antoka fa ny fialonana no anisan’ny tena mibahana indrindra amin’ izy ireo.

Ankoatra izany, ny fialonana dia hadisoana izay mitohyfoana. Mazava ho azy fa malahelo kely isika rehefa misy zavatramampalahelo mitranga amintsika, saingy ny fialonana dia mitakyantsika mba halahelo noho ny fitahiana mirotsaka amin’ ny rehetraizay fantatsika! Tena mba fomba fisainana hafa kely tokoa izanyhoe—tezitra be foana isika isaky ny misy olona faly manodidinaantsika! Tsy holazaiko akory aza ny fahasorenana amin’ nyfarany rehefa hahita isika fa Andriamanitra dia sady marina nobe famindram-po, ka manome “an’ izay rehetra ananany”2 an’ireo izay mankatò Azy, araka izay voalazan’ ny soratra masina.Noho izany ny lesona voalohany avy ao anatin’ ilaytanimboaloboky ny Tompo dia hoe: ny fitsiriritana na nyfiavonavonana, na ny famingampinganana ny hafa dia tsymanatsara ny momba anao, ary ny fanambanimbanianao ny hafakoa dia tsy mahatsara endrika anao. Noho izany dia aoka ianao

J E F F R E Y R . H O L L A N D

61

Page 68: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

ho tsara fanahy sy ho feno fankasitrahana fa tsara fanahyAndriamanitra. Fomba fiainana mitondra hafaliana izany.

Ny lafiny faharoa tiako ho sintonina avy ao amin’ iofanoharana io dia ny fahadisoana mampalahelo izay mety hoataon’ ny sasany raha toa ka manda tsy handray ny karamany izyireo any amin’ ny fiafaran’ ny andro satria nandany fotoana loatraizy ireo nieritreretana an’ izay heveriny ho olana tany am-piandohan’ ny andro. Tsy voalaza ao anatin’ ity soratra masina ityhoe nisy olona nanipy ny volany teny amin’ ny tarehin’ ilaytompon-trano na lasa nandeha tamim-pahatezerana tsy nandrayvola, saingy mieritreritra aho hoe mety nisy nanao izany.

Ry rahalahiko sy anabaviko malala, ny zavatra niseho taoanatin’ ity tantara ity tamin’ ny 9 ora na tamin’ nymitataovovonana na tamin’ ny 3 ora dia voafafan’ ilayfanomezan-karama tamim-pahalalahan-tanana ho an’ ny rehetratany amin’ ny fiafaran’ ny andro. Ny lamina ahafahanamampivelatra ny finoana dia ny mifikitra sy manohy miasa arymamita ny asa ary mamela an’ ireo ahiahy tany aloha—na izanytena nisy na foronin’ ny saina—ho levona eo anatrehan’ nyhaben’ ny valisoa azo. Aza variana mieritreritra ireo olana nafitarainana taloha—izay nisy ifandraisany taminao na tamin’ nynamanao, azoko ampiana mihitsy aza hoe na tamin’ ityFiangonana marina sy velona ity. Ny fahambonian’ ny fiainanaosy ny an’ ny namanao ary ny fahambonian’ ny filazantsaran’ iJesoa Kristy dia hiharihary amin’ ny andro farany na dia tsyeken’ ny olona rehetra foana aza izany amin’ ny voalohany. Nohoizany dia aza miahiahy loatra ny zavatra nitranga tamin’ ny 9 oramaraina rehefa miezaka ny hanome valisoa ho anareo nyfahasoavan’ Andriamanitra amin’ ny 6 ora hariva—na inona nainona fifanarahana arak’ asa nataonareo nandritra ilay andro.

Isika dia mandany fihetseham-po sarobidy sy hery ara-panahy toy izany amin’ ny fifikirantsika mafy amin’ nyfahatsiarovana feo iray nivalana izay notendrentsika nandritra nyfampisehoana rindram-peonkira tamin’ ny pianô natao nandritrany fahazazana, na amin’ ny fahatsiarovana ny zavatra izaynolazain’ ny vady na nataony 20 taona lasa izay ka dia vononaisika ny hanao izay hahatadidiavany an’ izany sy hahatsapany homeloka mandritra ny 20 taona fanampiny indray, na amin’ ny

F I V O R I A N A A S A B O T S Y T O L A K A N D R O

62

Page 69: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

fahatsiarovana zava-nitranga iray teo amin’ ny tantaran’ nyFiangonana izay nanaporofo tsotra izao fa ny olombelona metymaty dia ho sahirana foana raha te-ho lasa tsara toy ilay antenain’Andriamanitra amin’ izy ireo. Na dia tsy avy aminao aza noniantombohan’ ny iray tamin’ ireo fitarainana ireo dia azonaoatao ny mamarana izany eo aminao. Ary dia tena hisy ny valisoalehibe noho izany fitondrana anjara biriky izany rehefa mijery nymasonao ilay Tompon’ ny tanimboaloboka sy mandamina nyzava-drehetra any amin’ ny fiafaran’ ny fiainantsika eto an-tany.

Izany no mitondra ahy any amin’ ilay lafin-javatra fahatelosady farany hozaraiko. Ity fanoharana ity—tahaka ny fanoharanarehetra—dia tsy tena mikasika ny mpiasa na ny karama loatratoy ireo fanoharana hafa izay tsy tena mikasika ny ondry sy osy.Tantara mikasika ny hatsaran’ Andriamanitra izy ity, nyfaharetany sy ny famelany heloka ary ny Sorompanavotan’ iJesoa Kristy Tompo. Tantara mikasika ny fahalalahan-tanana syny fangorahana. Tantara momba ny fahasoavana. Mampisehoilay eritreritra henoko taona maro lasa izy ity fa ny zavatra tenatian’ Andriamanitra indrindra mikasika ny maha-AndriamanitraAzy dia ny fahafinaretana tsapany rehefa maneho famindram-poIzy, indrindra amin’ ireo izay tsy manantena an’ izany arymatetika mahatsapa ho tsy mendrika izany.

Tsy fantatro hoe iza ao anatin’ ireto olona marobe manatrikaireto no mety mila mihaino ity hafatry ny famelan-keloka izaytena ao anatin’ ity fanoharana ity, saingy na dia tara tahaka nyahoana aza no fiheveranao ny tenanao, na dia betsaka tahaka nyinona aza ireo tombontsoa izay heverinao fa navotsotrao, nabetsaka toy inona aza ny fahadisoana izay tsapanao fa efavitanao, na dia firy aza ireo talenta izay heverinao fa tsyanananao, na dia lavitra toy ny inona aza ny dia nataonao izaytsapanao fa nanalaviranao ny tokantrano na ny fianakaviana naan’ Andriamanitra, dia mijoro ho vavolombelona aminao aho fatsy nanalavitra loatra ianao ka hoe tsy ho takatry ny fitiavan’Andriamanitra. Tsy misy izany hoe milentika lalina loatra ianaoka tsy ho tratran’ ny hazavana tsy manam-pahataperan’ nySorompanavotan’ i Kristy.

Raha toa avy amin’ ny finoana hafa ianareo na efa niarakataminay fa tsy nijanona dia tsy misy zavatra, raha ao anatin’ ireo

J E F F R E Y R . H O L L A N D

63

Page 70: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

toe-javatra roa ireo, izay efa nataonareo ka hoe tsy azo ravana.Tsy misy izany olana hoe tsy azonao vahana izany. Tsy misy an’izany hoe nofinofy ka tsy ho tanteraka mandritra izao fiainanamandalo izao na any amin’ ny mandrakizay. Na dia mieritreritraaza ianareo fa ianareo ilay mpiasa very sy farany tao amin’ ilayora fahiraika ambin’ ny folo, dia mbola miseho aminareo nyTompon’ ny tanimboaloboka. “Koa aoka isika hanatona ny sezafiandrianan’ ny fahasoavana amin’ ny fahasahiana,”3 aryhiankohoka eo an-tongotr’ Ilay Masin’ i Isiraely. Avia ka homàna“tsy amim-bola na amin-karena”4 eo amin’ ny latabatry nyTompo.

Manao antso avo manokana aho ho an’ ireo lehilahymanambady sy raim-pianakaviana, ireo mpihazona nyfisoronana sy ireo mbola hihazona ny fisoronana mba “Hifoha syhiarina avy amin’ ny vovoka . . . ary ho lehilahy”5 toa izaynolazain’ i Lehia. Matetika fa tsy hoe miseho foana dia nylehilahy no misafidy ny tsy hamaly ilay antso “hamonjy nylaharana.”6 Ny vehivavy sy ny ankizy matetika dia toa vononakokoa. Ry rahalahy, mandraisa andraikitra. Ataovy izany hotombontsoanareo. Ataovy izany ho an’ ireo izay tia anareo symivavaka mba hanaovanareo izany. Ataovy izany ho an’ i JesoaKristy Tompo izay nandoa sarany tsy takatry ny saina velivelymba hanananareo ilay hoavy izay tiany ho anareo.

Ry rahalahy sy anabaviko malala, ho anareo izay notahian’ny filazantsara nandritra ny taona maro satria tsara vintanaianareo fa nahita izany efa ela tany aloha, ho anareo izaynanatona ny filazantsara tsikelikely taty aoriana, ary hoanareo—na mpikambana na tsy mbola mpikambana—izay mbolamisalasala, ary ho anareo tsirairay sy ho an’ ny rehetra, diamijoro ho vavolombelona aho mikasika ny herin’ ny fitiavan’Andriamanitra izay manavao sy ny fahagagana avy amin’ nyfahasoavany. Izay finoana ho azonareo amin’ ny farany no zava-dehibeAminy, fa tsy izay ora hahazoanareo izany.

Noho izany raha efa nanao fanekempihavanana ianareo diatandremo izany. Raha tsy mbola nanao fanekempihavananaianareo dia manaova. Raha nanao fanekempihavanana ianareonefa tsy nanaja an’ izany dia mibebaha ary areno izany. Tsy hisymihitsy izany hoe tara loatra izany raha toa ka mbola miteny ny

F I V O R I A N A A S A B O T S Y T O L A K A N D R O

64

Page 71: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

1.2.3.4.5.

6.

Tompon’ ny tanimboaloboka hoe misy ny fotoana. Henoy nybitsiky ny Fanahy Masina izay milaza aminareo amin’ izaofotoana izao mihitsy hoe tokony hanaiky ny sorompanavotananomen’ i Jesoa Kristy Tompo ianareo ary hankafy ny fiarahanamiasa Aminy. Aza ahemotra izany fa efa mihatara. Amin’ nyanaran’ i Jesoa Kristy, amena.

FanamarihanaJereo ny Matio 20:1–15.Lioka 12:44.Hebreo 4:16.Isaia 55:1.2 Nefia 1:14, 21.

“Nous voici tous enrôlés,”Cantiques, no. 161.

J E F F R E Y R . H O L L A N D

65

Page 72: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Tonga Saina: Ny Fanasan’ny Tompo, ny Tempoly,ary ny Fahafoizan-tenaManao Asa FanompoanaNataon’ ny Loholona Robert D. HalesAo amin’ ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifolo

Miova fo sy mizaka tena ara-panahy isika rehefamiaina ombam-bavaka ny fanekempihavanantsika

Ny Mpamonjy dia nitantara tamin’ ny mpianany momba ilayzanakalahy izay nandao ilay rainy mpanan-karena, nandeha tanyan-tany lavitra tany, ary nandany ny lovany. Rehefa tonga nymosary, dia nanao asa farany ambany ilay zatovolahy dia nymanome hanina kisoa izany. Noana mafy izy ary te hihinana ireovoankazo fanome ny biby.

Raha lavitry ny fonenany izy sy lavitry ny toerana tianyhipetrahana, ary tena tao anatin’ ny fahantrana tanteraka, dianisy zavatra manan-danja lehibe mandrakizay nitranga teo amin’ny fiainan’ ity zatovolahy ity. Hoy ny tenin’ ny Mpamonjy, “nodyny sainy.”1 Tsaroany hoe iza moa izy, nahatsapa ny zavatra tsyampy teo amin’ ny fiainany izy, ary nanomboka naniry nyhahazo ireo fitahiana izay maimaim-poana tao an-tranon-drainy.

Mandritra ny fiainantsika, na ao anatin’ ny fotoan’ nyhaizina, na olana, na alahelo, na fahotana izany, dia afakamahatsapa ny Fanahy Masina isika hampatsiahy antsika fa tenazanakalahy sy zanakavavin’ ny Ray any an-danitra, izaymikarakara sy tia antsika isika, ary mety maniry mafy an’ ireofitahiana masina ireo isika izay Izy irery ihany no afaka manomeazy. Amin’ izao fotoana izao dia tokony hiezaka ny ho tonga saina

F I V O R I A N A A S A B O T S Y T O L A K A N D R O

66

Page 73: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

isika ary hiverina any amin’ ny fahazavan’ ny fitiavan’ nyMpamonjy antsika.

Ireo fitahiana ireo dia natao ho an’ ny zanaky ny Ray any an-danitra rehetra araka ny rariny sy ny hitsiny. Ny faniriana ireofitahiana ireo, anisan’ izany ny fiainam-pifaliana sy hasambarana,dia lafiny iray manan-danja ao amin’ ny drafitry ny Ray any an-danitra ho antsika tsirairay avy. Nampianatra ny mpaminanyAlmà hoe: “Na dia tsy afa-manao mihoatra noho ny maniry nyhino aza ianareo, dia avelao izany faniriana izany hiasa aoaminareo.”2

Rehefa mitombo ny faniriantsika ara-panahy, dia lasa mizakatena ara-panahy isika. Ahoana anefa no hanampiantsika ny hafa,sy ny tenantsika ary ny fianakaviantsika hampitombo nyfaniriantsika hanaraka ny Mpamonjy sy hiaina ny filazantsarany?Ahoana no hampitomboantsika ny faniriana hibebaka, sy ho lasamendrika, ary haharitra hatramin’ ny farany? Ahoana nohanampiantsika ny tanorantsika sy ny tanora tokan-tena mbahamela izany faniriana izany hiasa ao anatin’ izy ireomandrapahatonga azy ireo ho lasa niova fo sy lasa “olomasina[marina] amin’ ny alalan’ ny sorompanavotan’ i Kristy”?3

Miova fo sy mizaka tena ara-panahy isika rehefa miainaombam-bavaka ny fanekempihavanantsika—amin’ ny alalan’ nyfandraisana ny fanasan’ ny Tompo amim-pahamendrehana,amin’ ny alalan’ ny fahamendrehana handray ny fahazoan-dalana hiditra any amin’ ny tempoly, ary amin’ ny alalan’ nyfahafoizan-tena hanompo ny hafa.

Rehefa mandray ny fanasan’ ny Tompo amim-pahamendrehana isika, dia mahatsiaro fa manavao nyfanekempihavanana nataontsika tamin’ ny batisa isika. Rahatiana ho fotoana isan-kerinandro iainana ny fanadiovana ara-panahy ny fanasan’ ny Tompo dia mila manomana ny tenantsikaisika alohan’ ny hahatongavana any amin’ ny fivorian’ ny fanasan’ny Tompo. Manao izany isika amin’ ny alalan’ ny fampirimanatanteraka ny asantsika isan’ andro sy ny fialambolintsika aryfanadinoana ireo eritreritra sy ny olan’ izao tontolo izao. Rehefamanao izany isika, dia manome toerana ao an-tsaintsika sy aoam-pontsika ho an’ ny Fanahy Masina.

R O B E R T D . H A L E S

67

Page 74: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Dia vonona ny hisaintsaina mikasika ny Sorompanavotanaisika. Mihoatra ny fieritreretana fotsiny momba ny fijaliana sy nyfahafatesan’ ny Mpamonjy, ny fisaintsainantsika dia manampyantsika hahafantatra fa amin’ ny alalan’ ny sorona nataon’ nyMpamonjy, dia manana fanantenana, sy fahafahana, ary tanjakaisika hirosoana amin’ ny fiovana marina sy amin-kitsimpo eoamin’ ny fiainantsika.

Rehefa mihira ny fihirana mikasika ny fanasan’ ny Tompoisika, sy mandray anjara amin’ ny vavaky ny fanasan’ ny Tompo,ary mandray ireo tandindon’ ny nofony sy ny rany, dia mikatsakaombam-bavaka ny famelana ny fahotantsika sy nyfahalementsika. Mieritreritra ny fampanantenana nataontsika synotandrovintsika nandritra ny herinandro lasa isika ary manaofanoloran-tena miavaka manokana hanaraka ny Mpamonjymandritra ny herinandro ho avy.

Ry ray aman-dreny sy mpitarika, afaka manampy ny tanoraianareo hiaina ireo fitahiana tsy manam-paharoa avy amin’ nyfanasan’ ny Tompo amin’ ny alalan’ ny fanomezana azy ireofahafahana manokana handalina ary hifanakalo hevitra sy hahitany maha-zava-dehibe ny Sorompanavotana eo amin’ ny fiainan’izy ireo. Avelao izy ireo handalina ny soratra masina ho an’ nytenany manokana ary hifampianatra avy amin’ ny zavatraniainany.

Ny ray, ny mpitarika ao amin’ ny fisoronana, sy ireofiadidian’ ny kôlejy dia manana andraikitra manokana hanampyny mpihazona Fisoronana Aharôna hiomana mialohahanatanteraka ny adidy masin’ izy ireo ao amin’ ny fanasan’ nyTompo. Izany fiomanana izany dia tanterahina mandritra nyherinandro amin’ ny alalan’ ny fiainana ny fampianaran’ nyfilazantsara. Rehefa miomana amin’ ny fanasan’ ny Tompo ireozatovolahy, ary manamasina sy mizara ny fanasan’ ny Tompoamim-pahamendrehana sy amim-panajana, dia manaraka ara-bakiteny ny ohatra nasehon’ ny Mpamonjy tamin’ ny Fiaraha-misakafo Farany4 izy ireo ary ho lasa tahaka Azy.

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny fanasan’ ny Tompo diamanome antsika fahafahana mba hahatongavantsika saina ary mbahiainantsika “fiovam-po lehibe”5—hahatsiarovantsika hoe izaisika ary inona no tena iriantsika. Rehefa manavao ny

F I V O R I A N A A S A B O T S Y T O L A K A N D R O

68

Page 75: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

fanekempihavanana hitandrina ny didy isika, dia mahazo nyFanahy Masina ho namana mba hitarika antsika hiverina anyamin’ ny Ray any an-danitra. Tsy mahagaga raha nodidiana isikamba “hihaona miaraka matetika . . . mba hiara mandray ny mofosy ny[rano]”6 ary handray ny fanasan’ ny Tompo ho an’ nyfanahintsika.7

Ankoatry ny fanasan’ ny Tompo, dia hitombo nyfaniriantsika hiverina any amin’ ny Ray any an-danitra rehefalasa mendrika ny handray ny fahazoan-dalana hiditra nytempoly isika. Lasa mendrika isika amin’ ny alalan’ nyfankatoavana mafy sy tsy tapaka ireo didy. Izany fankatoavanaizany dia manomboka any amin’ ny fahazazana ary miha-mahery amin’ ny alalan’ ny traikefa azo ao amin’ ny FisoronanaAharôna sy ny Zatovovavy mandritra ireo taona marofiomanana. Ary enga anie, ny mpisorona sy ny Ravintsarahametraka tanjona ary hiomana manokana mba handray nyfanafiana masina sy hofehezina any amin’ ny tempoly.

Inona no fenitra arahana ho an’ ireo mpihazona ny fahazoan-dalana mankany amin’ ny tempoly? Ny Mpanao Salamo dianampatsiahy antsika hoe:

“Iza no hiakatra any an-tendrombohitr’ i Jehovah? ary iza nohitoetra ao amin’ ny fitoerany masina?

“Izay madio tanana sy mahitsy fo.”8

Ny fahamendrehana hihazona ny fahazoan-dalana ho anyamin’ ny tempoly dia manome antsika hery hitandremana ireofanekempihavanan’ ny tempoly. Ahoana no hahazoan’ nytenantsika manokana izany hery izany? Miezaka isika ny hahazony fijoroana ho vavolombelona mikasika ny Ray any an-danitra,mikasika an’ i Jesoa Kristy, ny Fanahy Masina, ny fisian’ nySorompanavotana, ary ny fahamarinan’ ny Mpaminany JosephSmith sy ny Famerenana amin’ ny laoniny. Manohana ireompitondra antsika isika, mikarakara ny fianakaviantsika amin’ny hatsaram-panahy, mijoro ho vavolombelon’ ny Fiangonanamarin’ ny Tompo, manatrika ireo fivoriam-piangonantsika,manome lanja ny fanekempihavanantsika, manatanteraka nyadidin’ ny ray aman-dreny, ary miaina fiainana feno hatsarana.Mety hiteny ianao hoe toy ny Olomasin’ ny Andro Faranymahatoky fotsiny izany! Marina ny voalazanao. Ny fitsipika

R O B E R T D . H A L E S

69

Page 76: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

arahan’ ireo mpihazona ny fahazoan-dalana hidirana ny tempolydia tsy avo loatra izany ka hoe tsy ho tratra. Miaina amim-pahatokiana ny filazantsara fotsiny izany sy manaraka nympaminany.

Avy eo, amin’ ny maha mpihazona ny fahazoan-dalanahidirana ny tempoly efa nandray ny fanafiana masina antsika, diamanorina lamim-piainana tahaka ny an’ i Kristy isika. Tadifitraao anatin’ izany ny fankatoavana, ny fahafoizan-tena hitandrinaireo didy, ny fifankatiavana, ny fahadiovan’ ny saina sy nyfitondrantena, ary fanolorana ny tenantsika hanangana nyfanjakan’ Andriamanitra. Amin’ ny alalan’ ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy sy amin’ ny alalan’ ny fanarahana ireo laminafototry ny fahatokiana dia azontsika “ny hery avy any ambony”9

hiatrehana ireo fanambin’ ny fiainana. Ilaintsika mihoatra nohony hatramin’ izay izany hery masina izany ankehitriny. Hery izaytsy azontsika raha tsy amin’ ny alalan’ ny ôrdônansin’ nytempoly. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny fahafoizan-tenaataontsika handraisana ny ôrdônansin’ ny tempoly dia mendrikaan’ izay ezaka rehetra azontsika atao.

Rehefa mitombo ny faniriantsika hianatra sy hiaina nyfilazantsara, dia lasa maniry tsotra fotsiny ny hifanompo isika.Nilaza tamin’ i Petera ny Mpamonjy hoe: “Ary rehefa mibebakahianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao.”10 Tena talanjona ahoamin’ ny faniriana lalin’ ny tanora ankehitriny hanompo syhitahy ny hafa—mba hitondra fanovana eto amin’ ity izao tontoloizao ity. Isika koa dia mitady mafy an’ ilay fifaliana izay entin’ nyfanompoana ataony.

Na izany aza dia sarotra ho an’ ny tanora ny mahatakatra fany zavatra ataon’ izy ireo ankehitriny dia hanomana azy ireoamin’ ny fahafahana hanompo any aoriana na hanakana azy ireotsy hanao izany. Isika rehetra dia manana “andraikitra tsy azoihodivirana”11 hanampy ireo tanorantsika hiomana amin’ ny asafanompoana maharitra eo amin’ ny fiainana amin’ ny alalan’ nyfanampiana azy ireny mba hizaka tena. Ankoatry ny fizakan-tenaara-panahy izay efa noresahantsika, dia misy koa ny fizakan-tenaara-nofo, ka tafiditra ao anatin’ izany ny fanovoana fianaranaambony na fianarana asa aorian’ ny fianarana tany amin’ nysekoly ambaratonga faharoa, ny fianarana miasa, ary ny fiainana

F I V O R I A N A A S A B O T S Y T O L A K A N D R O

70

Page 77: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

amin’ izay ananana. Amin’ ny alalan’ ny fisorohana ny trosa syny fanangonam-bola ankehitriny, dia vonona ny hanao asafanompoana amin’ ny fotoana feno ao am-piangonana isikamandritra ny taona maro ho avy. Ny tanjon’ ny fizakan-tena ara-panahy sy ara-nofo dia ny mba hampilamina antsika manokanaahafahantsika manampy ny hafa izay mila fanampiana.

Na tanora isika na antitra, ny ataontsika androany diamamaritra ny fanompoana izay ho azontsika atao sy hoankafizintsika rahampitso. Nampahatsiahy antsika nympahaitononkalo iray hoe: “Ny teny tena mampalaheloindrindra ao anatin’ ireo teny mampalahelo rehetra izay teneninana soratana, dia hoe: ‘Raha mba izao mantsy aho no. . .!’ ”12

Ndeha isika tsy hiaina ao anatin’ ny fanenenana an’ izay zavatranataontsika na tsy nataontsika!

Rahalahy sy ranabavy malala, ilay zatovolahy nolazain’ nyMpamonjy, ilay antsointsika hoe zanaka adala, dia tena nody tanyan-trano. Tsy hadinon-drainy izy ary niandry azy ny rainy. Ary“raha mbola lavitra [ilay zanakalahy], dia tazan-drainy, ary onenaazy izy ka nihazakazaka izy, ary . . . nanoroka azy.”13 Hofanomezam-boninahitra ny fiverenan’ ny zanany lahy, dianampaka haingana akanjo izy, sy peratra, ary nankalaza izanytamin’ ilay zanak’ omby nafahy14—ireo dia mpampahatsiahy fatsy misy fitahiana tsy homena izany rehefa maharitra amim-pahatokiana isika ao anatin’ ilay lalana mitondra miverina anyamin’ ny Ray any an-danitra.

Miaraka amin’ ny fitiavany sy ny fitiavan’ ny Zanakalahinyato am-poko, dia manasa antsika tsirairay avy aho mba hanarakany faniriantsika ara-panahy ary ho tonga saina. Ndeha isikahiresaka amin’ ny tenantsika eo anoloan’ ny fitaratra aryhanontany hoe, “Aiza ho aiza eo amin’ ny fiainako no misy nyfanekempihavanako?” Eo amin’ ilay lalana marina isika rehefaafaka miteny hoe, “mandray ny fanasan’ ny Tompo amim-pahamendrehana isan-kerinandro aho, mendrika ny hihazonafahazoan-dalana hidirana ny tempoly sy handeha ho any amin’ny tempoly aho, ary manolo-tena mba hanompo sy hitahy nyhafa aho.”

Mizara ny fijoroako ho vavolombelona manokana aho fa tiaantsika tsirairay avy Andriamanitra “ka nomeny ny Zanany

R O B E R T D . H A L E S

71

Page 78: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

1.2.3.4.

5.

6.7.

8.

9.

10.11.

12.

13.14.15.16.

lahitokana”15 mba hanonitra ny fahotantsika. Fantany isika arymiandry antsika Izy, na dia mbola lavitra Azy aza isika. Rehefamandray andraikitra eo anatrehan’ ny faniriantsika isika arytonga saina dia ho “sakambininy mandrakizay amin’ ireosandrim-pitiavany”16 ary horaisiny ao an-trano. Mijoro hovavolombelona n amin’ izany aho amin’ ny anarana masin’ nyMpamonjy antsika, Jesoa Kristy, amena.

FanamarihanaLioka 15:17.Almà 32:27.Mosià 3:19.Jereo ny Matio 26:17–28; Lioka22:1–20.Almà 5:12; jereo koa Mosià 5:2;Almà 5:13–14.Môrônia 6:6.Jereo ny Môrônia 4:3;Fotopampianarana syFanekempihavanana 20:77.Salamo 24:3–4.

Fotopampianarana syFanekempihavanana 95:8.Lioka 22:32.Fotopampianarana syFanekempihavanana 123:11.John Greenleaf Whittier, “MaudMuller,” The Complete Poetical Worksof Whittier (1894), 48.Lioka 15:20.Jereo Lioka 15:22–24.Jaona 3:16.2 Nefia 1:15.

F I V O R I A N A A S A B O T S Y T O L A K A N D R O

72

Page 79: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Finoana, Herimpo,Fahafaham-po: Hafatra hoan’ ireo Ray aman-drenyTokan-tenaNataon’ ny Loholona David S. BaxterAo amin’ ny Fitopololahy

Miezaka mafy ianao mitaiza ireo zanakao ao amin’ nyfahazavana sy ny fahamarinana, ao anatin’ nyfahafantarana fa tsy afaka manova ny lasa ianao, faafaka mamolavola ny hoavy

Ny hafatro anio dia ho an’ ireo ray aman-dreny tokan-tenaato amin’ ny Fiangonana, izay ny ankamaroan’ izy ireo dia renytokan-tena—dia ianareo vehivavy mahatoky izany, izay noho nytoe-javatra samihafa nitranga teo amin’ ny fiainana dia lasamitaiza zanaka sy mikarakara irery ny tokantrano. Metymananotena na nisara-bady ianareo. Mety miatrika ireo fanambyamin’ ny maha ray aman-dreny tokan-tena ianareo vokatry nytsy fanajana ny lalàn’ ny fahadiovam-pitondrantena, kanefaankehitriny dia efa miaina araka ny fitsipiky ny filazantsaraianareo, ary efa nanova ny fiainanareo ho tsara kokoa. Isaoranaianareo noho ny fisorohanareo ny fiarahana aman’ olona izayhanimba ny hatsaranareo sy ny maha-mpanara-dia anareo. Tsymendrika ny hatao mihitsy izany.

Na dia nisy fotoana aza ianareo nanontany tena hoe: “fanahoana no izaho”? Ao anatin’ ny fahasarotan’ ny fiainana noahafahantsika mivoatra mankany amin’ Andriamanitra rehefavoavolavolan’ ireo olana sarotra ny toetrantsika ary rehefamiseho ireo trangam-piainana noho ny fanajan’ Andriamanitra

D A V I D S . B A X T E R

73

Page 80: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

ny fahafahan’ ny olombelona misafidy. Hoy ny nambaran’ nyLoholona Neal A. Maxwell hoe, tsy afaka mahatakatra ny anton’ny zava-mitranga rehetra isika satria “tsy hananantsika avokoany zava-misy rehetra mahatonga izany.”1

Na inona na inona anefa toe-javatra iainanareo na ny antonynahatonga izany, dia tena mahafinaritra ianareo. Isan’ androianareo dia miatrika ny fahasarotan’ ny fiainana, manao ny asaizay tokony hataon’ olon-droa kanefa dia saika ataonareosamirery tanteraka izany. Sady ray ianao no reny. Ianao nomampandeha ny tokantranonao, miahy ny fianakavianao,indraindray dia tena sahirana ara-pivelomana, ary ny tenamahagaga dia mbola mahita fomba ahafahana manompo amin’ny fomba miavaka ato amin’ ny Fiangonana ihany ianao.Mamelona ny zanakao ianao. Miara-mivavaka sy miara-mitomany amin’ izy ireo ianao ary mivavaka ho azy ireo. Te-hanao ny tsara indrindra ho azy ireo ianao kanefa miahiahy isakyny alina hoe ilay tsara indrindra avy aminao dia mety tsy hoampy velively.

Na dia somary miahotrahotra ihany aza aho miresakamivantana loatra ny toe-piainako manokana, dia nivoaka avytamin’ ny tokantrano tahaka izany aho. Notaizan’ ny reniko irerytao anatin’ ny toe-piainana feno fahantrana izahay tao anatin’ nyankamaroan’ ireo taonan’ ny fahazazako sy ny fahatanorako.Notsinjaraina tsara ny vola. Niaina tao anatin’ ny fanirery anatyizy, ary indraindray nitady mafy fanohanana sy namana. Na diateo aza anefa izany rehetra izany, dia nanana fahambonian-toetrany reniko, izay loharano goavan’ ny fananana faharisihana sytoetra miavaka nolovainy avy amin’ ireo razambeny avy anyÉcosse.

Soa ihany, fa ireo taona niainany taty aoriana dia nahitanafitahiana bebe kokoa mihoatra noho ny tany am-piandohana.Nanambady mpikambana vao niova fo izy, izay lehilahy matyvady. Nofehezina tany amin’ ny Tempolin’ i Londres Angleterreizy ireo ary taty aoriana dia nanompo nandritra ny fotoana fohytoy ny mpisahana ny fanaovana ôrdônansy tao. Niaraka tenynandritra ny dimy amby roapolo taona latsaka izy ireo—faly,mirana, ary afa-po mandrapahafatiny izy ireo.

F I V O R I A N A A S A B O T S Y T O L A K A N D R O

74

Page 81: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Maro aminareo vehivavy tsara ato amin’ ny Fiangonanamanerana izao tontolo izao no miatrika toe-javatra mitovitovyamin’ izany ary mampiseho herimpo mitovy amin’ izany hatranyhatrany koa isan-taona.

Tsy dia tena izao loatra no nantenainao na nomaninao, nanivavahanao na niandrasanao tany am-piandohana taona marolasa izay. Ny dianao mamakivaky ny fiainana dia fenofahasarotana sy fiovana tsy ampoizina, ka ny ankamaroany diavokatry ny fiainana ao anatin’ ilay izao tontolo izao izay lavo,izay natao ho toerana hiatrehana fitsapana sy fisedrana.

Miaraka amin’ izay anefa dia miezaka mafy ianao hitaiza ireozanakao ao amin’ ny fahazavana sy ny fahamarinana, ao anatin’ny fahafantarana fa tsy afaka manova ny lasa ianao, fa afakamamolavola ny hoavy. Hahazo fitahiana ianao ho fanoneranaizany eny an-dalana eny, na dia tsy miseho avy hatrany aza izany.

Miaraka amin’ ny fanampian’ Andriamanitra, dia tsy tokonyhatahotra ny hoavy ianao. Hihalehibe ny zanakao ary hataonyhoe sambatra ianao, ary ny zavatra tsirairay ao anatin’ ireo zava-bitany maro dia ho toy ny atokany ho mari-panajana anao.

Aoka ianao tsy hihevitra velively fa ny toeranao amin’ nymaha-mpikambana anao ato amin’ ny Fiangonana dia ambanynoho ny an’ ny mpikambana hafa, toy ireny hoe kelikely kokoany fitahiana azonao avy amin’ ny Tompo noho ny an’ ny hafa. Aoamin’ ny fanjakan’ Andriamanitra dia tsy misy ny olona ambanysaranga.

Manantena izahay fa rehefa manatrika fivoriana ianao kamahita fianakaviana izay toa feno tsara sy faly na mandre olonairay miresaka momba ny fianakaviana tonga lafatra, diahahatsapa ho faly fa anisan’ ny mpikambana ao amin’ nyfiangonana izay mifantoka amin’ ny fianakaviana symampianatra ny tena anjara asan’ izy ireo ao amin’ ny drafitry nyfahasambaran’ ny Ray any an-danitra ho an’ ireo Zanany; ary eoanivon’ ity izao tontolo izao ity izay ahitana fahoriana syfitomboan’ ny tsy fahadiovam-pitondratena, dia ananantsika ireofotopampianarana, sy fahefana, sy ôrdônansy aryfanekempihavanana izay manolotra ny fanantenana tsaraindrindra ho an’ izao tontolo izao, ka tafiditra ao anatin’ izanykoa ny fanantenana tsara indrindra ho an’ ny fahasambaran’ ny

D A V I D S . B A X T E R

75

Page 82: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

zanakao amin’ ny hoavy ary ho an’ ny fianakaviana izay hoaorin’ izy ireo.

Nandritra ny fihaonamben’ ny Fikambanana Ifanampianamaneran-tany tamin’ ny Septambra 2006, dia notantarain’ nyFiloha Gordon B. Hinckley ny zavatra niainan’ ny reny iraynisara-bady izay nanan-janaka fito ka tamin’ izany fotoana izanyizy ireo dia teo anelanelan’ ny 7 ka hatramin’ ny 16 taona.Nandeha niampita ny arabe izy hanatitra zavatra ho an’ nympifanolobodirindrina aminy. Hoy izy hoe:

“Rehefa nihodina hiverina hody aho dia hitako ireo jironirehitra tao an-tranoko. Ohatry ny henoko ny feon’ ireo zanakorehefa nivoaka ny trano aho minitra vitsy talohan’ izay. Hoy izyireo hoe: ‘Neny a! Inona no sakafontsika hariva?’ ‘Afaka mitondraahy any amin’ ny tranomboky ve ianao?’ ‘Mila mitady taratasymatevina fanaovana sary aho anio hariva.’ Reraka sy torovanaaho raha nijery io trano io ary nahita ny jiro nirehitra tao amin’ nyefitrano tsirairay. Nieritreritra an’ ireo ankizy rehetra ireo ahoizay miandry ahy ho tonga ao an-trano hanome izay ilainy. Tenatsapako ho mavesatra mihoatra noho izay zakako ilay entananolanjaiko.

“Tsaroako aho nijery ny lanitra tao anatin’ ny ranomaso, aryniteny hoe, ‘Ray Malala ô, tena tsy vitako intsony ny anio alina.Reraka loatra aho. Tsy vitako intsony. Tsy afaka ny hody ao an-trano aho dia hikarakara irery ireo zanako rehetra ireo. Moa veaho afaka mankany Aminao ary miaraka Aminao indray alinamonja? . . .’

“Tsy tena nandre ireo teny ho valin’ izany aho, saingyhenoko tao an-tsaiko izany. Toy izao ny valiny: ‘Tsia, ry zanako,tsy afaka mankaty amiko ianao amin’ izao fotoana izao. . . . Faizaho afaka mankany aminao.’”2

Misaotra anareo ry rahavavy isany, noho izay rehetraataonareo mba hitaizana ny fianakavianareo ary hanananahatrany tokantrano feno fitiavana izay ahitana hatsarana, syfiadanana, ary tombontsoa.

Na dia mahatsapa ho irery aza ianareo matetika, ny tenamarina dia tsy irery tanteraka velively ianareo. Rehefa mandrosoao anatin’ ny faharetana sy finoana ianareo, dia hiaraka aminareony Tompo, handrotsaka an’ ireo fitahiana tena ilaina ny lanitra.

F I V O R I A N A A S A B O T S Y T O L A K A N D R O

76

Page 83: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Hiova ny tanjonareo sy ny fahitanareo ny fiainana ka rahatokony ho kivy ianareo dia hitraka.

Maro aminareo no efa nahita ilay fahamarinana lehibe symanova, dia ny hoe rehefa miaina mba hilanja ny enta-mavesatryny hafa ianao, dia lasa maivana kokoa ny enta-mavesatrao. Nadia tsy miova aza ny toe-javatra misy, ny toetranao kosa diamiova. Afaka miatrika ireo fitsapanao amim-panekena bebekokoa izany ianao ary miaraka amin’ ny fo tena mahatakatra, arymiaraka amin’ ny fanehoana fankasitrahana lalina kokoa noho nyzavatra anananao, fa tsy maniry izay zavatra tsy anananao.

Hitanao fa rehefa miezaka ianao hankahery ireo hafa izay toakivy dia hahazo fankaherezana ary tena “feno dia feno” tokoa nykapoakantsika (Salamo 23:5).

Amin’ ny alalan’ ny fiainana ao anatin’ ny fahamarinana, diaindray andro any ianao sy ny zanakao dia hahazo ireo fitahianaamin’ ny maha isan’ ny ao anatin’ ny fianakaviana iray feno symandrakizay.

Ry mpikambana sy mpitarika, moa ve misy zavatra hafamihoatra noho ny azonareo atao mba hanohanana nyfianakavian’ ireo ray aman-dreny tokan-tena ka tsy mitsara namitsikera azy ireo? Moa ve ianareo afaka mampianatra ny tanoraao anatin’ ireny fianakaviana ireny, indrindra fa maneho ohatratsara ho an’ ireo zatovolahy mikasika ny hoe inona no fanaon’ nylehilahy tsara ary ahoana no fomba fiainan’ ny lehilahy tsara? Eoanatrehan’ ny tsy fisian’ ny ray, moa ve ianareo tena mampisehoohatra izay mendrika ny ho alain-tahaka?

Amin’ izao fotoana izao, mazava ho azy, dia misy ireofianakaviana izay ny lehilahy no ilay ray aman-dreny tokan-tena.Ry rahalahy, mivavaka ho anareo koa izahay, ary midera anareo.Natao ho anareo koa ity hafatra ity.

Ry Ray aman-dreny tokan-tena, mijoro ho vavolombelonaaminareo aho fa rehefa manao ny tsara indrindra vitanareoianareo ao anatin’ ireo olana tena sarotra indrindra mianjadyamin’ ny zanak’ olombelona, dia hitahy anareo ny lanitra. Tenamarina fa tsy irery ianareo. Avelao ilay hery manavotra sy fenofitiavan’ i Jesoa Kristy hanazava ny fiainanareo amin’ izaofotoana izao sy hameno anareo amin’ ny fanantenana an’ ilayfampanantenana mandrakizay. Mahereza. Manàna finoana sy

D A V I D S . B A X T E R

77

Page 84: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

1. 2.

fanantenana. Hatreo amin-kerimpo ny ankehitriny ary banjinoamim-pahatokiana ny hoavy. Amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy,amena.

FanamarihanaNeal A. Maxwell, NotwithstandingMy Weakness (1981), 68.

Ao amin’ ny Gordon B. Hinckley,“In the Arms of His Love,” Liahona,Nov. 2006, 117.

F I V O R I A N A A S A B O T S Y T O L A K A N D R O

78

Page 85: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Mitoera ao amin’ ny Faritryny Tompo!Nataon’ ny Loholona Ulisses SoaresAo amin’ ny Fitopololahy

Ny fanontaniana ao an-tsaintsika isan’ andro diatokony hoe: “Mametraka ahy any amin’ ny faritry nyTompo ve sa any amin’ ny an’ ny fahavalo ireo zavatraataoko?”

Nilaza ny Filoha Thomas S. Monson indray mandeha hoe:“Mamelà ahy hanome torolalana tsotra izay ahafahanareomandrefy ireo safidy manoloana anareo. Mora tadidiana izany:‘Tsy hanana ny rariny ianao rehefa manao hadisoana ary tsy hodiso ianao rehefa manao ny rariny” (“Pathways to Perfection,”Liahona, Jolay 2002, 112). Tsotra sy mivantana ny torolalan’ nyFiloha Monson. Mitovy fiasa amin’ ilay Liahônà nomena an’ iLehia izany. Raha mampihatra ny finoana sy mazoto mitandrinany didin’ ny Tompo isika dia ho mora amintsika ny hahita nylalana marina tokony ho arahina, indrindra rehefa miatrika ireosafidy ataontsika isan’ andro isika.

Nolazain’ ny Apôstôly Paoly tamintsika ny maha-zava-dehibe ny famafazana ho an’ ny Fanahy sy ny maha-zava-dehibeny fahafantarana ny tsy tokony hamafazana ho an’ ny nofo. Hoyizy:

“Aza mety hofitahina hianareo; fa izay afafin’ ny olona nohojinjainy.

“Fa izay mamafy ho an’ ny nofony dia hijinja fahasimbanaavy amin’ ny nofo; ary izay mamafy ho an’ ny Fanahy dia hijinjafiainana mandrakizay avy amin’ ny Fanahy.

U L I S S E S S O A R E S

79

Page 86: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

“Ary aza mba ketraka amin’ ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ny fotoan’ andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika”(Galatiana 6:7–9).

Ny hoe mamafy ho an’ ny Fanahy dia midika hoe tokonyhampiakatra antsika ho eo amin’ ny haavon’ ny maha-masinaireo ray aman-drenintsika any an-danitra ny eritreritra sy ny tenyary ny fihetsika rehetra ataontsika. Kanefa ny soratra masina diamamaritra ilay toetra ara-batana na ara-nofo eo amin’ ireo olonaaraky ny nofo, izay ahafahan’ ny olona ho voasariky nyfirehetam-pon’ ny nofo, ny fanirian’ ny nofo, ny fahalianan’ nynofo sy ny fandrisihan’ ny nofo raha tokony mba hitadyfitaomana avy amin’ ny Fanahy Masina anefa. Raha tsymitandrina isika dia mety hitarika antsika haneho fihetsikamirefarefa amin’ ny tany sy tsy voahevitra izay mety ho lasaampahan’ ny toetrantsika ireo zava-misarika ireo miaraka amin’ny faneren’ ilay ratsy eto amin’ izao tontolo izao. Mba hialanaamin’ izany fitaoman-dratsy izany dia ilaintsika ny manaraka nytorolalana izay nomen’ ny Tompo ny Mpaminany Joseph Smithmikasika ny famafazana tsy tapaka ho an’ ny Fanahy: “Koa azaketraka amin’ ny fanaovan-tsoa fa mandatsaka ny fanorenan’ nyasa lehibe ianareo. Ary avy amin’ ny zavatra madinika nohivoahan’ izay lehibe” (F&F 64:33).

Mba hampivelarana ny fanahintsika dia takiana isika“[Hanaisotra amintsika] ny fo-lentika rehetra sy ny fahaviniranasy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy aryny lolompo rehetra” (Efesiana 4:31) ary ho “hendry amin’ nyandron’ ny fizahan-toetra [antsika] [isika]; hanaisotra amin’ nytena[ntsika] ny tsy fahadiovana rehetra” (Môrmôna 9:28).

Rehefa mandalina ny soratra masina isika dia mahita fa nyfampanantenana nomen’ ny Tompo ho antsika dia miankinaamin’ ny fankatoavantsika ary mamporisika antsika hiainaamim-pahamarinana. Ireo fampanantenana ireo dia tokonyhamoky ny fanahintsika, hitondra fanantenana ho antsika amin’ny alalan’ ny famporisihana antsika mba tsy hilavo lefona, na diamanoloana ireo fanambin’ ny fiainana isan’ andro aza noho nyfiainana eto amin’ ity izao tontolo izao ity izay ahitana famihamanjavona ireo soatoavina ara-pahadiovam-pitondrantena,ka mamporisika ny olona ho vao mainka hamafy ho an’ ny nofo

F I V O R I A N A A S A B O T S Y T O L A K A N D R O

80

Page 87: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

bebe kokoa hatrany. Kanefa amin’ ny fomba ahoana noahafahantsika manana antoka fa manampy antsika hamafy ho an’ny Fanahy fa tsy ho an’ ny nofo ny safidy ataontsika?

Nilaza ny Filoha George Albert Smith indray mandeha, rahanamerina ny torohevitra avy tamin’ ny raibeny, nanao hoe: “Misytsipika mazava tsara manasaraka ny faritry ny Tompo sy ny an’ny devoly. Raha maniry hitoetra any amin’ ny faritry ny Tompoianao dia ho eo ambany fitarihany ka tsy hanana faniriana hanaoratsy, fa raha miampita na dia iray santimetatra monja any amin’ny faritry ny devoly kosa ianao dia ho eo ambanin’ ny herin’ ilaympaka fanahy ary raha mahomby izy dia tsy ho afaka nyhieritreritra na hampiasa saina araka ny tokony ho izy akoryianao satria tsy hanana ny Fanahin’ ny Tompo intsony” (Teachingsof Presidents of the Church: George Albert Smith [2011], 191).

Noho izany, ny fanontaniana ao an-tsaintsika isan’ andro diatokony hoe: “Mametraka ahy any amin’ ny faritry ny Tompo vesa any amin’ ny an’ ny fahavalo ireo zavatra ataoko?”

Nampitandrina ny vahoakany mikasika ny maha-zava-dehibe ny fahaiza-manavaka ny tsara sy ny ratsy i Môrmônampaminany:

“Koa, ny zavatra rehetra izay tsara dia avy amin’Andriamanitra; ary izay ratsy dia avy amin’ ny devoly; fa nydevoly dia fahavalon’ Andriamanitra sy miady Aminy lalandava,ary manainga sy mitaona hanota, ary hanao izay ratsy lalandava.

“Nefa indro, izay avy amin’ Andriamanitra dia manainga symitaona hanao ny tsara lalandava” (Môrônia 7:12–13).

Ny Fahazavan’ i Kristy miaraka amin’ ny fananana nyFanahy Masina ho namana dia tsy maintsy hanampy antsikahamantatra raha toa ka mampitoetra antsika any amin’ ny faritryny Tompo na tsia ny fomba fiainantsika. Raha tsara nytoetrantsika dia avy amin’ ny fitaoman’ Andriamanitra izanysatria ny zavatra tsara rehetra dia avy amin’ Andriamanitra.Kanefa raha toa ka ratsy kosa ny toetrantsika dia eo ambanyfisarihan’ ilay fahavalo isika satria izy dia mandresy lahatra nyolona hanao ny ratsy.

Nahakasika ny foko ny vahoaka Afrikanina noho ny tsyfihambahamban’ izy ireo sy ny fahazotoan’ izy ireo hitoetra aoamin’ ny faritry ny Tompo. Na dia ao anatin’ ny toe-javatra

U L I S S E S S O A R E S

81

Page 88: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

sarotra eo amin’ ny fiainana aza ireo izay nanaiky ny fanasanahanatona an’ i Kristy, dia lasa fahazavana ho an’ izao tontolo izaoizy ireo. Herinandro vitsy lasa izay raha nitsidika ny iray tamin’ireo paroasy tany Afrika Atsimo aho dia nanana fahafahananiaraka tamin’ ny mpisorona tanora roalahy sy ny evekany aryny filohan’ ny tsatòkany hitsidika ireo zatovolahy malaindaina aoamin’ ny kôlejiny. Tena nanaitra ahy tokoa ny herimpo syfanetren-tena izay nasehon’ ireto mpisorona roalahy ireto teo am-panasana ireo zatovolahy malaindaina hiverina hivavaka. Teoam-piresahan’ izy ireo tamin’ ireo zatovolahy malaindaina ireodia tsikaritro fa namiratra teny amin’ ny endrik’ izy ireo nyfahazavan’ ny Mpamonjy, sady nameno hazavana an’ ireo rehetrananodidina azy ireo izany. Izy ireo dia nanatontosa ny adidinyhoe “[hamonjy] ny osa, [hampiakatra] ny tanana izay miraviravyary [hampatanjaka] ny lohalika malemy” (F&F 81:5). Ny fihetsikanasehon’ ireo mpisorona roa ireo dia nametraka azy ireo ho aoamin’ ny faritry ny Tompo, ary dia fitaovana eo an-tanany izyireo noho izy ireo nanasa ny hafa hanao toy izany koa.

Ao amin’ ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana20:37, dia ampianarin’ ny Tompo antsika ny dikan’ ny hoemamafy ho an’ ny Fanahy sy izay zavatra tena mametrakaantsika ao amin’ ny faritry ny Tompo, arak’ izao voalazamanaraka izao: manetry ny tenantsika manoloana an’Andriamanitra, maneho fo torotoro sy fanahy manenina, mijoroho vavolombelona amin’ ny Fiangonana fa efa nibebaka marinatamin’ ireo fahotantsika, mitondra eo amintsika ny anaran’ i JesoaKristy, manana finiavana hanompo Azy hatramin’ ny farany,maneho amin’ ny asantsika fa efa nandray ny Fanahin’ i Kristyary noraisina tamin’ ny batisa tato amin’ ny Fiangonany. Nyfahavononantsika hanatanteraka ireo fanekempihavanana ireodia manomana antsika hiaina eo anatrehan’ Andriamanitra hotoy ny olona nisandratra. Ny fahatsiarovana ireofanekempihavanana ireo dia tokony hitarika ny fihetsikaataontsika eo amin’ ny fianakaviantsika, eo amin’ nyfifaneraserantsika amin’ ireo olon-kafa ary indrindra eo amin’ nyfifandraisantsika amin’ ny Mpamonjy.

Nametraka fakantahaka mikasika ny fihetsika tonga lafatra iJesoa Kristy izay ahafahantsika manamafy orina ny toetrantsika

F I V O R I A N A A S A B O T S Y T O L A K A N D R O

82

Page 89: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

mba hahafahana manatanteraka ireo fanekempihavanana masinaireo. Ny Mpamonjy dia nanilika teo amin’ ny fiainany ireo zava-misarika izay mety tsy hampifantoka Azy amin’ ny asa masinanampanaovina Azy, indrindra rehefa nalain’ ny fahavalo fanahyIzy na nalain’ ireo mpanara-dia azy fanahy tamin’ Izy nanao asafanompoana teto an-tany. Na dia tsy nanota mihitsy aza Izy diananana fo torotoro sy fanahy nanenina, izay heniky ny fitiavanany Raintsika any an-danitra sy ny olombelona rehetra. Nanetryny tenany teo anoloan’ ny Raintsika any an-danitra Izy, nandà nysitrapon’ ny tenany manokana mba hanatanterahana hatramin’ny farany ny zava-drehetra izay nangatahan’ ny Ray taminy. Nadia tamin’ ny fotoana niainany fijaliana ara-batana sy ara-panahyfaran’ izay mafy aza, izay nitondrany ny vesatry ny fahotan’ nyzanak’ olombelona rehetra teo an-tsorony sy nivoahan’ ny ratamin’ ny masonkodiny, dia hoy izy tamin’ ny Ray hoe: “Nefaaoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao” (Marka 14:36).

Ny vavaka ataoko rahalahy sy ranabavy, rehefa mieritreritraireo fanekempihavanana nataontsika isika dia ny mbahanatanjahantsika ny tenantsika foana hanoherana ireo “zana-tsipika mirehitry ny fahavalo” (1 Nefia 15:24), amin’ ny alalan’ nyfanarahana ny ohatry ny Mpamonjy mba hahafahantsika mamafyho an’ ny Fanahy sy hitoerantsika ao amin’ ny faritry ny Tompo.Tsarovy ilay torolalana nomen’ ny Filoha Monson, manao hoe:“Tsy hanana ny rariny ianao rehefa manao hadisoana ary tsy hodiso ianao rehefa manao ny rariny.” Izany dia ataoko amin’ nyanaran’ i Jesoa Kristy, amena.

U L I S S E S S O A R E S

83

Page 90: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Mirindra Tsara amin’ nyFeon-kiran’ ny FinoanaNataon’ ny Loholona Quentin L. CookAvy ao amin’ ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifolo

Tian’ Andriamanitra ny zanany rehetra. Tianyhiverina any Aminy daholo izy rehetra. Tiany hirindratsara amin’ ilay feon-kiran’ ny finoana ny rehetra.

Rehefa mihaona amin’ ireo mpikambana rehetra maneranaan’ izao tontolo izao ireo Manampahefana Ambony ao amin’ nyFiangonana dia hitanay manokana fa tena hery iray ho an’ nytsara ireo Olomasin’ ny Andro Farany. Mankasitraka ny zavatrarehetra ataonareo izahay mba hitahiana ny fiainan’ ny olonarehetra.

Ireo izay misahana ny fifaneraserana amin’ ny daholobe diatena mahatsapa fa ny fanehoan-kevitra ataon’ ny maro an’ isa syireo mpanao gazety eto Etazonia sy manerana an’ izao tontoloizao dia lasa nampitombo ny firesahany ampahibemaso mikasikany Fiangonana sy ny mpikambana ao aminy. Nisy fifanojoanamiavaka iray teo amin-javatra maro izay nampitombo be tokoany fahatsapana ny fisian’ ny Fiangonana.1

Maro amin’ ireo izay nanoratra mikasika ny Fiangonana nonanao ezaka tamin-kitsimpo mba hahatakatra ny olontsika sy nyfotopampianarantsika. Naneho fanajana izy ireo ary niezaka nytsy hiangatra, izay ankahasitrahanay tokoa.

Tsapanay koa fa maro ireo olona no tsy mahatakatra an’ ireozavatra masina. I Lord Sacks Filohan’ ny Rabbin ao Angleteraraha niresaka tamin’ ireo mpitarika tao amin’ ny FiangonanaKatôlika Romana tamin’ ny volana Desambra lasa teo tany amin’ny Pontifical Gregorian University, dia nanamarika hoe lasamirona amin’ ny tsy finoana tokoa ny faritra sasany eto an-tany.

F I V O R I A N A A S A B O T S Y T O L A K A N D R O

84

Page 91: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Nanambara izy fa ny loharano iray amin’ izany dia “ny tsyfahaizan’ ny sofin’ ireo mpahay siansa mahery fihetsika izay tsymino an’ Andriamanitra mihaino ny feon-kiran’ ny finoana.”2

Ilay fahitana lehibe enti-mampiditra ny ao anatin’ ny Bokin’ iMôrmôna dia ilay nofy mifono faminaniana izay nahitan’ i Lehiany hazon’ aina.3 Io fahitana io dia mamaritra tsotra fotsiny ireofanamby atrehan’ ny finoana izay miseho amin’ izao androntsikaizao ary ilay fisarahana lehibe misy eo amin’ ireo izay tia symitsaoka an’ Andriamanitra ary mahatsapa ho tompon’andraikitra eo anoloany, ary etsy ankilany ireo izay tsy manaoireo zavatra ireo. Nohazavain’ i Lehia ny sasany amin’ ireofitondran-tena izay manimba ny finoana ireo. Ny sasany dia berehareha sy mieboebo ary ketrina. Ny hany mahaliana azy ireodia ilay heverin’ ny sasany hoe fahendren’ izao tontolo izao.4 Nysasany dia liana kely ihany amin’ Andriamanitra saingy very aoanatin’ ny zavon’ ny haizina sy ny fahotana ato anatin’ izaotontolo izao.5 Ny sasany efa nanandrana ny fitiavan’Andriamanitra sy ny teniny saingy menatra an’ ireomandrabiraby azy ireo ary dia nianjera tany amin’ ny “lalanavoarara.”6

Farany, dia misy ireo izay mirindra tsara amin’ ny feon-kiran’ny finoana. Fantatrareo hoe iza ianareo. Tia ny Tompo sy nyfilazantsara ianareo ary miezaka hatrany miaina sy mizara nyhafany, indrindra amin’ ny fianakavianareo.7 Mifanaraka amin’nybitsiky ny Fanahy ianareo, ary mahatakatra ny herin’ ny tenin’Andriamanitra, maneho fihetsika masina any an-tokantranonareoary miezaka amim-pahavitrihana miaina fiainana tahaka ny an’ iKristy amin’ ny maha-mpianany anareo.

Fantatray fa tena sahirana ianareo. Ry mpikambana befanoloran-tena! Miankina aminareo ilay andraikitra hitantananany Fiangonana izay tsy ahitana mpitondra fivavahanamatihanina mandray karama. Fantatray fa efa fahita mahazatrany fanokanan’ ireo mpikambana ao amin’ ny episkôpà sy nyfiadidian’ ny tsatòka ary ireo hafa, ora maro hanompoana amim-piniavana. Ohatra tsara eo amin’ ny fanehoana fahafoizan-tenatsy misy tambiny ireo fiadidian’ ny vondrona fanampiny sy nykôlejy. Izany fanompoana sy fahafoizan-tena izany dia hita eoamin’ ny mpikambana iray manontolo, eo amin’ ireo mpitam-

Q U E N T I N L . C O O K

85

Page 92: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

boky, eo amin’ ireo mpampianatra isan-tokantrano sy mpamangyisan-tokantrano ary eo amin’ ireo izay mampianatra any amin’ireo kilasy. Feno fankasitrahana an’ ireo mpitarika ny Skoto nampitarika ao amin’ ny garderie koa aho izay manompo amim-kerimpo. Atolotray anareo rehetra ny fitiavanay sy nyfankasitrahanay noho ny zavatra ataonareo ary noho mahaianareo anareo!

Fantatray fa misy mpikambana izay tsy dia liana ary tsy diamaneho fahatokiana amin’ ny sasany amin’ ireo fampianaran’ nyMpamonjy. Ny fanirianay dia ny hahatakaran’ ireo mpikambanaireo tanteraka ny finoana ary hampitomboany ny fahazotoany syny fanoloran-tenany. Tian’ Andriamanitra ny zanany rehetra.Tiany hiverina any Aminy daholo izy rehetra. Tiany hirindratsara amin’ ilay feon-kiran’ ny finoana ny rehetra. Fanomezanairay ho an’ ny olona rehetra ny Sorompanavotan’ ny Mpamonjy.

Ilaina ny mampianatra sy ny mahatakatra fa tiantsika syhajaintsika daholo ireo olona rehetra nofaritan’ i Lehia.8 Tsarovyfa tsy anjarantsika mihitsy ny mitsara. Nomena ny Tompo nyfitsarana.9 Ny Filoha Thomas S. Monson dia nangatakamanokana antsika mba hanana “herimpo hanajanona nyfitsarana ny hafa.”10 Nangataka ny mpikambana mahatokytsirairay koa izy mba hamonjy ireo izay efa nihinana ny voan’ nyfilazantsara ary dia lavo avy eo ary koa ireo izay mbola tsy nahitailay lalana ety sy tery. Mivavaka izahay mba hihazonan’ izy ireoilay anja-by sy hahazoan’ izy ireo anjara amin’ ny fitiavan’Andriamanitra izay hameno “[ny fanahiny] fifalianamitafotafo.”11

Raha nahitana ny karazan’ olona rehetra ny fahitan’ i Lehiadia ny maha-zava-dehibe mandrakizay ny fianakaviana kosa nofotopampianarana manan-danja indrindra tao anatin’ izany.“Tendrin’ Andriamanitra ny fianakaviana. Izany no rafitramanan-danja indrindra eto amin’ ity fiainana ity arymandrakizay.”12 Rehefa nihinana ny voan’ ny hazon’ aina i Lehia(ilay fitiavan’ Andriamanitra), dia naniry ny mba “hihinanan’ nyankohonany amin’ izany koa izy.”13

Ny faniriantsika lehibe dia ny hitaiza ny zanatsika ao anatin’ny fahamarinana. Ny fitsipika iray izay hanampy antsikahanatanteraka izany dia ny fisorohana ny mitsara diso tafahoatra

F I V O R I A N A A S A B O T S Y T O L A K A N D R O

86

Page 93: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

ny fihetsika iray izay adaladala na tsy malina fa tsy hoemahameloka. Taona maro lasa izay raha mbola nanan-janakanipetraka tao an-trano izaho sy ny vadiko, dia nampianatra nyLoholona Dallin H. Oaks fa zava-dehibe ny manavaka ireofahadisoana ataon’ ireo zatovo izay tokony hahitsy sy ireofahotana izay mitaky famaizana sy fibebahana.14 Rehefa misy nytsy fisian’ ny fahendrena dia mila torolalana ny zanatsika. Rahamisy ny fahotana dia ilaina ny fibebahana.15 Hitanay fa tenananampy tokoa izany teo amin’ ny fianakavianay manokana.

Ny fanatanterahana ireo zavatra masina ao anatin’ nytokantrano dia mitahy ny fianakaviantsika. Manan-danjamanokana ny fanehoana ohatra. Misy fiantraikany bebe kokoaamin’ ny zanatsika ny zavatra ataontsika noho ny zavatralazaintsika. Fony aho dimy taona dia naharay filazana ny renikofa ny zandriny lahy dia maty rehefa voadaroka baomba tanyamin’ ny morontsirak’ i Japana ilay sambo mpiady izaynanompoany tany amin’ ny faran’ ny Ady Lehibe II.16 Nahakivyazy tanteraka izany vaovao izany. Tena nampihetsim-po azyizany ka lasa nandeha tany amin’ ny efitrano fatoriana izy.Fotoana fohy taorian’ izay dia nitsikilo tao amin’ ilay efitrano ahomba hijery raha toa izy ka tsy maninona. Nandohalika teoakaikin’ ny fandriana izy ary nivavaka. Nisy fiadanana lehibenanenika ahy satria nampianatra ahy izy mba hivavaka sy hitiany Mpamonjy. Ohatra miavaka izay fanehony foana amiko izany.Ny reny sy ny ray izay mivavaka miaraka amin’ ny zanany nomety ho manan-danja kokoa noho ny ohatra hafa.

Ny hafatr’ i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika sy ny asafanompoany ary ny sorompanavotany no ampahany manan-danja ao anatin’ ny zavatra tokony hampianarina nyfianakaviantsika. Tsy misy soratra masina hafa mamaritra tsarakokoa ny finoantsika noho ny ao amin’ ny 2 Nefia 25:26: “Arymiresaka an’ i Kristy isika, mifaly amin’ i Kristy, mitory an’ iKristy, maminany ny amin’ i Kristy, ary manoratra araka nyfaminaniantsika mba hahafantaran’ ny zanatsika ny loharanoazony andrandraina ho famelana ny fahotany.”

Ny iray amin’ ireo fitsipika fototra ao anatin’ ny fahitan’ iLehia dia ny hoe tokony hihazona mafy ny anja-by ireompikambana mahatoky mba hijanonan’ izy ireo eo amin’ ilay

Q U E N T I N L . C O O K

87

Page 94: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

lalana ety sy tery izay mitondra any amin’ ilay hazon’ aina. Zava-dehibe ho an’ ny mpikambana ny mamaky sy misaintsaina arymandalina ny soratra masina.17

Tena manan-danja tokoa ny Bokin’ i Môrmôna.18 Hisy foanamazava ho azy ireo izay hanamaivan-danja ny maha-zava-dehibeizany boky masina izany na hitsikera izany mihitsy aza. Nysasany mananihany momba izany. Talohan’ ny nandehanakonanao asa fitoriana dia nisy prôfesora tany amin’ ny oniversiteiray izay nindrana ny tenin’ i Mark Twain hoe raha esorinao aoanatin’ ny Bokin’ i Môrmôna ny andian-teny hoe “Ary ny zava-nitranga” dia “ho toy ny bokikely tsotra fotsiny izany.”19

Volana vitsivitsy taty aoriana, rehefa nanao asa fitoriana tanyLondres, Angletera aho dia nisy mpampianatra iray manana nymaha izy azy tao amin’ ny London University izay mpianatranivoaka tao Oxford ary manam-pahaizana Egyptiana mikasikany fiteny Semita. Namaky ny Bokin’ i Môrmôna izy, dianifanoratra tamin’ ny Filoha David O. McKay avy eo ary nihaonatamin’ ny misiônera. Nampahafantariny azy ny faharesenylahatra fa ny Bokin’ i Môrmôna dia tena dikan-teny miompanaamin’ ny fahalalan’ny Jiosy sy ny fitenin’ny Egyptiana tokoanandritra ireo vanim-potoana voafaritra ao amin’ ny Bokin’ iMôrmôna.20 Ny ohatra iray nasehony tao anatin’ ny maro dia ilayandian-teny mpampitohy fehezan-teny hoe “Ary ny zava-nitranga” izay nolazainy fa nitovy tamin’ ny fomba handikanyireo teny sy andian-teny izay ampiasaina ao anatin’ ireo asasoratra Semita.21 Nampahafantarina ilay prôfesora fa rahananampy azy ny fanadihadiana ara-tsaina izay nifototra tamin’ny asany, dia mbola zava-dehibe ny fananana fijoroana hovavolombelona ara-panahy. Nahazo fijoroana ho vavolombelonaara-panahy izy ary natao batisa. Noho izany ilay zavatra hitan’ny mpanao asa soratra mampihomehy iray ho toy ny zavatramahatsikaiky dia tsapan’ ny manam-pahaizana iray ho toy nyporofo lalin’ ny fahamarinan’ ny Bokin’ i Môrmôna izaynohamafisin’ ny Fanahy taminy.

Ny fotopampianarana fototry ny fahafahana misafidy diamitaky ny fananana fijoroana ho vavolombelona mikasika nyfilazantsara naverina tamin’ ny laoniny izay mifototra amin’ nyfinoana fa tsy amin’ ny porofo hita ety ivelany na ara-tsiantifika.

F I V O R I A N A A S A B O T S Y T O L A K A N D R O

88

Page 95: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Tsy hahomby na hitondra fivoarana mihitsy akory ny fifantohanadiso tafahoatra amin’ ny zavatra tsy mbola nambara tanteraka,toy ny fomba mety nitrangan’ ny fiterahan’ ny virijiny na nyFitsanganan’ ny Mpamonjy tamin’ ny maty na ny fomba tenanandikan’ i Joseph Smith ny soratra masintsika. Resaka finoanaireo. Farany, ny valiny dia ilay torohevitr’ i Môrônia mba hamakysy hisaintsaina ary avy eo manontany amin’ Andriamanitraamin-kitsimpo, omban’ ny tena finiavana mba hanamafy nyfahamarinana ao amin’ ny soratra masina amin’ ny alalan’ nyfanahy.22 Ankoatr’ izany raha toa ka ampidirintsika ao anatin’ nyfiainantsika ireo zavatra tsy maintsy atao hita ao amin’ ny soratramasina ary raha toa ka miaina ny filazantsara isika dia hanana nyFanahy ary hahatsapa ny hatsarany miaraka amin’ nyfahatsapana fifaliana ary indrindra fiadanana.23

Mazava fa ny maha-samy hafa an’ ireo izay maheno ny feon-kiran’ ny finoana amin’ ireo izay manetsy tadìny na mihainozavatra hafa, dia ny fandalinana amim-pahavitrihana ny soratramasina. Nanohina lalina ny foko taona maro lasa izay nynanamafisan’ ilay mpamimany malala Spencer W. Kimball nyfilana ny famakiana sy ny fandalinana tsy tapaka ny soratramasina. Hoy izy hoe: “Hitako fa rehefa goragora ny fifandraisakoamin’ Andriamanitra dia toa tsy mihaino izany Andriamanitraary toa tsy miteny izany Izy ary tena lavitra dia lavitra aho. Rahamiroboka tanteraka ao anatin’ ny famakiana ny soratra masinaaho dia lasa fohy ilay halavirana ary miverina amin’ ny tokonyho izy ny fiainam-panahy.”24

Manantena aho fa mamaky tsy tapaka ny Bokin’ i Môrmônamiaraka amin’ ny zanatsika isika. Niresaka mikasika izanyniaraka tamin’ ny zanako aho. Naneho hevitra roa tamiko izy.Voalohany, ny fikirizana mba hamakian’ ny fianakaviana miarakany soratra masina isan’ andro no fanalahidy. Tamim-piravoravoana no namaritan’ ny zanako vavy ny ezaka ataon’ izyireo isaky ny vao maraina amin’ ireo zanaka izay tena mbolazatovo mba hamaky tsy tapaka ny soratra masina. Mifohamaraina izy sy ny vadiny ary iny mbola rendremana iny diamanaraka ny arofanina vy amin’ ny sisin’ ny tohatra izaymitondra any amin’ ny efitrano hivorian’ ny fianakavian’ izy ireomba hamaky ny soratra masina. Ny fikirizana no vahaolana ary

Q U E N T I N L . C O O K

89

Page 96: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

manampy ny hanihany kely. Mitaky ezaka avy amin’ ny olonatsirairay ao amin’ ny fianakaviana izany saingy ezaka tsyhanenenana. Ireo sampona mandalo dia resy amin’ ny alalan’ nyfikirizana.

Ny faharoa dia ny fomba hamakian’ ny zanakay faralahy syny vadiny ny soratra masina amin’ ilay fianakaviany mbola misyankizy kely. Tsy mbola tonga amin’ ny taona ahaizana mamakyteny ny roa amin’ ireo zanany efatra. Ho an’ ilay anankiray izaydimy taona dia mampiasa famantarana amin’ ny tanana izy ireoizay valiany mba handraisany anjara feno ao anatin’ ilayfamakian’ ny fianakaviana soratra masina. Ny famantaranaomen’ ny rantsan-tanana 1 ho azy dia ny mba hamerenany nyhoe: “Ary ny zava-nitranga,” isaky ny miseho ao amin’ ny Bokin’i Môrmôna izany. Tsoriko fa tiako ny fiverimberenan’ izanyandian-teny izany matetika tokoa. Hanampiana izany koa mbahahasoa ireo fianakaviana mbola misy ankizy kely, ny rantsan-tanana 2 dia ho an’ ny hoe: “Ary dia toy izany no ahitantsika”.Ny rantsan-tanana 3, 4, ary 5 dia fidian’ ny ray aman-dreny arak’izay teny hita ao amin’ ilay toko izay vakian’ izy ireo.

Fantatsika fa tsy hoe tonga lafatra foana ny fiarahan’ nympianakavy mamaky ny soratra masina sy ny takarivan’ nympianakavy. Na inona na inona olana atrehanao dia aza kivy.

Aoka ianareo hahatakatra fa ny fananana finoana an’ i JesoaKristy Tompo sy ny fitandremana ny didiny no fitsapana manan-danja indrindra mandritra ny fiainana eto an-tany ary ho toyizany hatrany. Fa ambonin’ ny zavatra rehetra, isika tsirairay diatokony hahatsapa fa rehefa tsy miraharaha ny feon-kiran’ nyfinoana ny olona iray dia tsy maheno ny Fanahy. Nampianatra nyMpaminany Nefia hoe: “Eny efa nandre ny feony . . . ianareo; aryniteny tamin’ ny feo tony sy malefaka izy, saingy efa dontoianareo, hany ka tsy nahatsapa ny teniny.”25

Ny fotopampianarantsika dia mazava. Mila matoky tena symiran-dava isika. Manasongadina ny finoantsika isika fa tsy nytahotsika. Isika dia mifaly ao anatin’ ny fanomezan-tokin’ nyTompo fa hijoro eo anilantsika Izy ary hanome fitarihana sytorolalana.26 Ny Fanahy Masina dia mijoro ho vavolombelonaamin’ ny fontsika fa manana Ray any an-danitra be fitiavana isikaary ilay drafiny feno famindram-po mba hamonjena antsika dia

F I V O R I A N A A S A B O T S Y T O L A K A N D R O

90

Page 97: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

1.

2.

3.4.5.6.7.8.

9.

10.

11.12.

13.14.

15.

16.

17.18.

19.

ho tanteraka amin’ ny lafiny rehetra noho ny sorompanavotan’ iJesoa Kristy.

I Naomi W. Randall, izay nanoratra ny “Zanaky ny RayAho,” dia nanoratra hoe: “Mitarika ny fanahiny. Manome toky nyfitiavany fa lasa ny tahotra rehefa maharitra ny finoana.”27

Noho izany dia ndeha isika na aiza na aiza misy antsika eoamin’ ilay lalan’ ny maha-mpianatra ao anatin’ ilay fahitan’ iLehia, hanapa-kevitra mba hamoha ao anatintsika sy ao anatin’ny fianakaviantsika ilay faniriana hahazo ilay fanomezana tsytakatry ny saina dia ny fiainana mandrakizay izany. Mivavakaaho mba hirindra tsara amin’ ilay feon-kiran’ ny finoana ianareo.Mijoro ho vavolombelona amin’ ny maha-Andriamanitra an’ iJesoa Kristy sy amin’ ny tena fisian’ ny Sorompanavotany aho,amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.

FanamarihanaJereo ny Fotopampianarana syFankempihavanana 1:30.Jonathan Sacks, “Has Europe LostIts Soul?” (lahateny natao tamin’ny 12 Desambra 2011, tany amin’ny Pontifical GregorianUniversity), chiefrabbi.org/ReadArtical.aspx?id=1843.Jereo ny 1 Nefia 8.Jereo ny 1 Nefia 8:27; 11:35.Jereo ny 1 Nefia 8:23; 12:17.1 Nefia 8:28.Jereo ny 1 Nefia 8:12.Ny torolalan’ ny Mpamonjy dia nyhitadiavana ireo ondry very; jereony Matio 18:12–14.Jereo ny Jaona 5:22; jereo koa nyMatio 7:1–2.Thomas S. Monson, “May YouHave Courage,” Liahona, Mey 2009,124.1 Nefia 8:12.Manuel 2: Administration de l’Eglise(2010), 1.1.1.1 Nefia 8:12.Jereo ny Dallin H. Oaks, “Sins andMistakes,” Ensign, Ôkt. 1996, 62.Nampianatra izany hevitra izanykoa ny Loholona Oaks tamin’ izy

filohan’ ny Brigham YoungUniversity teo amin’ ny 1980 teo.Jereo ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 1:25–27.Jereo ny Marva Jeanne KimballPedersen, Vaughn Roberts Kimball, AMemorial (1995). I Vaughn dianilalao baolina tao amin’ nyOniversiten’ i Brigham Youngtamin’ ny fararanon’ ny taona 1941ka mpitarika ny fanafihan’ nympilalao izy. Ny andro taorian’ nynanafihana an’ i Pearl Harbor, ny 8Desambra 1941, dia nirotsaka taoamin’ ny tafika an-dranomasinatany Etazonia izy. Maty tamin’ ny11 Mey 1945 izy tamin’ ny alalan’ny fanjeran’ ny fahavalo baombany USS Bunker Hill ary dia nalevinatany an-dranomasina.Jereo ny Jaona 5:39.Jereo ny Ezra Taft Benson, “TheBook of Mormon—Keystone ofOur Religion,” Ensign, Nôv. 1986, 4;na Liahona, Ôkt. 2011, 52.Mark Twain, Roughing It (1891),127–28. Ny taranaka vaovaotsirairay dia ampahafantarinamiaraka amin’ ny fanehoan-kevitr’

Q U E N T I N L . C O O K

91

Page 98: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

20.21.

22.

23.

24.

25.

26.

27.

i Twain toy ireny hoe misy fahitan-java-baovao lehibe ireny. Matetikamisy filazana kely hoe i MarkTwain koa dia manilikilika nyresaka Kristiana sy ny finoanaamin’ ny ankapobeny.1 Nefia 1:2.Izaho dia nihaona tamin’ i Dr.Ebeid Sarofim tany Londres rehefanampianatra azy ireo misiôneralahy. Jereo koa ny N. Eldon Tanner,ao amin’ ny Conference Report,Apr. 1962, 53. Maro ireo manam-pahaizana mikasika ny asa soratraamin’ ny fiteny Semita syEgyptiana fahiny no nahatsikaritrailay fiverimberenan’ ny fampiasanailay andian-teny mpampitohy hoe“Ary ny zava-nitranga” any amin’ny fiantombohan’ ny fehezan-tena;jereo ny Hugh Nibley, SinceCumorah, boky navoakafaharoa (1988), 150.

Jereo ny Môrônia 10:3–4;nanandrana an’ izany tamin-kitsimpo omban’ ny tena finiavanaireo mpitsikera vitsivitsy.Jereo ny Fotopampianarana syFankempihavanana 59:23.Teachings of Presidents of the Church:Spencer W. Kimball (2006), 67.1 Nefia 17:45; jereo koa ny EzraTaft Benson, “Seek the Spirit of theLord,” Tambuli, Sept. 1988, 5:“Maheno ny feon’ ny Tompo amin’ny alalan’ ny fahatsapan-javatraisika matetika. Raha manetry tenasy antra fo isika, dia hibitsikaamintsika ao anatin’ nyfahatsapantsika zavatra nyTompo.”Jereo ny Fotopampianarana syFankempihavanana 68:6.“When Faith Endures,” Hymns, no.128.

F I V O R I A N A A S A B O T S Y T O L A K A N D R O

92

Page 99: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Ahoana no FombaAhafahana MahazoFanambarana syFanentanam-panahy ho an’ny Fiainanao ManokanaNataon’ ny Loholona Richard G. ScottAvy ao amin’ ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifolo

Nahoana no tian’ ny Tompo hivavaka sy hangatakaAminy isika? Satria izany no fomba ahazoanamandray fanambarana.

Na iza na iza mijoro eto amin’ ity polpitra ity mba hizarahafatra dia mahatsapa ny hery sy ny fanohanana avy amin’ ireompikamban’ ny Fiangonana manerana an’ izao tontolo izao. Fenofankasitrahana aho fa izany fanohanana izany ihany koa dia metyho azo avy amin’ ilay namana malala iray any amin’ ny faritraambadiky ny voaly. Misaotra anao ry Jeanene.

Ny Fanahy Masina dia mampita fampahalalana izayilaintsika hitantanana antsika eto amin’ ity fiainana an-tany ity.Rehefa miavaka sy mazava ary ilaina izany dia mendrika nyantsoina hoe fanambarana. Rehefa bitsika misesisesy kosa noazontsika matetika mba hitarihana antsika tsikelikely any amin’ny tanjona mendrika iray, raha ny hevitra manodidina an’ ityhafatra ity, dia fanentanam-panahy izy amin’ izay.

Ny ohatra iray mikasika ny fanambarana dia ny fitarihanaazon’ ny Filoha Spencer W. Kimball taorian’ ny fitaloahany tsytapaka ary nandritra ny fotoana ela mikasika ny mbahanomezana ny fisoronana an’ ireo lehilahy mendrika rehetra

R I C H A R D G . S C O T T

93

Page 100: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

tato amin’ ny Fiangonana, raha toa ka nomena ny sasantsasanytamin’ izy ireo fotsiny izany tamin’ izany fotoana izany.

Ny ohatra iray hafa mikasika ny fanambarana dia nyfitarihana nomena ny Filoha Joseph F. Smith: “Mino aho fa isikadia manao zavatra eo anatrehan’ ireo iraky ny lanitra sy olonaavy any an-danitra ary miaraka amin’ ny tenantsika eny izy ireo.Tsy misaraka amin’ izy ireo isika. . . . Mifandray akaiky amin’ nyfianakaviantsika sy ny razambentsika isika . . . izay nialoha lalanaantsika any amin’ ny tontolon’ ny fanahy. Tsy afaka ny hanadinoazy ireo isika ary tsy afaka ny hitsahatra tsy hitia azy ireo.Tehirizintsika foana ao am-pontsika sy ao an-tsaintsika izy ireoary noho izany dia miray sy mikambana amin’ izy ireo isikaamin’ ny alalan’ ny fatotra izay tsy azontsika vahana. . . . Rahaizay no toe-javatra mikasika ny toetry ny vatantsika izay voafetraihany, izay voahodidin’ ny fahalemena amin’ ny mahaolombelona, . . . dia tena azo antoka tokoa . . . ny mino fa ireo izaynahatoky sy efa nodimandry . . . dia afaka mahita tsara kokoaantsika noho ny ahitantsika azy ireo, ary izy ireo koa diamahafantatra tsara kokoa antsika noho ny ahafantarantsika azyireo. . . . Miaina eo anatrehan’ izy ireo isika ary mahita antsika izyireo sy mieritreritra an’ izay mahasoa antsika ary tia antsika bebekokoa noho ny hatramin’ izay. Ary amin’ izao fotoana izao diahitan’ izy ireo ireo loza manambana antsika; . . . ny fitiavanyantsika sy ny faniriany mba hahazoantsika an’ izay mahasoaantsika dia tsy maintsy lehibe kokoa noho izay mba tsapantsikaho an’ ny tenantsika.”1

Azo hamafisina mamakivaky an’ ilay voaly ny fifandraisanaamin’ ireo olona izay fantatsika sy tiantsika. Izany dia tanterakaamin’ ny alalan’ ny ezaka feno fahavononana ataontsika eo amin’ny fanaovana ny marina lalandava. Afaka manamafy orina nyfifandraisantsika amin’ ilay olona efa lasa izay tiantsika isikaamin’ ny alalan’ ny fahatsapana fa ny fisarahana dia mandaloihany ary ireo fanekempihavanana izay natao tany amin’ nytempoly dia mandrakizay. Rehefa hajaina tsy tapaka ireofanekempihavanana ireo dia afaka manome antoka ny hofahatanterahan’ ireo fampanantenana mandrakizay izaymiraikitra ao anatiny.

F I V O R I A N A A S A B O T S Y T O L A K A N D R O

94

Page 101: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Ny fahazoana fanambarana iray tena mazava teo amin’ nyfiainako dia niseho rehefa natosiky ny Fanahy mafy aho mbahangataka an’ i Jeanene Watkins hofehezina amiko any amin’ nytempoly.

Ny iray amin’ ireo lesona lehibe izay tokony hianarantsikatsirairay avy dia ny mangataka. Nahoana no tian’ ny Tompo isikamba hivavaka sy hangataka? Satria izany no fomba handraisanafanambarana.

Rehefa miatrika zavatra sarotra aho dia izao no fombafiezahako mba hahatakarana ny tokony hatao. Mifady haninaaho. Mivavaka aho mba hahita sy hahatakatra ireo soratra masinaizay hanampy. Averimberina izany dingana arahana izany.Manomboka amin’ ny alalan’ ny famakiana andinin-tsoratramasina iray aho, dia misaintsaina ny tian’ ilay andininyholazaina, dia mivavaka mba hahazoana fitaomam-panahy. Diamisaintsaina sy mivavaka aho mba hahafantarana raha azokodaholo ny zavatra rehetra tian’ ny Tompo hataoko. Mihamarokokoa ny hevitra rehefa mitombo ny fahatakarana nyfotopampianarana. Hitako fa fomba tsara hianaran-javatra avyamin’ ny soratra masina izany lamina izany.

Misy fitsipika sasantsasany manamora ny atao, izayahafahana mahazo fanambarana. Voalohany, ny fanehoanakarazana fihetseham-po toy ny fahatezerana na ny fiarovan-tenadia hampiala ny Fanahy Masina. Tsy maintsy esorina ireofihetseham-po ireo raha tsy izany dia ho kely ny fanantenantsikahahazo fanambarana.

Ny fitsipika iray hafa dia ny fitandremana amin’ nyfanaovana vazivazy. Hanafintohina ny Fanahy ny fihomezenamafy sy tsy sahaza ny tokony ho izy. Ny fananana toetra mahaymihomehy na mahay mampihomehy amin’ ny endriny tsara diamanampy amin’ ny fahazoana fanambarana. Ny tokelaka mafydia tsy manampy ahazoana izany. Ny fananana toetra tiamampihomehy dia fomba iray mba hivoahana kely amin’ ireozavatra maro tsy maintsy atao eo amin’ ny fiainana.

Ny fahavalo hafa iray ho an’ ny fanambarana dia nyfanaovana laza masaka sy ny fitabatabana rehefa miresaka. Nyfitenenan-javatra amim-pitandremana sy amim-pahatoniana diahampisy ny fahazoana fanambarana.

R I C H A R D G . S C O T T

95

Page 102: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Amin’ ny lafiny iray, ny fifandraisana ara-panahy dia azohatsaraina amin’ ny alalan’ ny fitandremana ara-pahasalamana.Ny fanaovana fanatanjahan-tena, ny torimaso ampy tsara ary nyfahazarana mihinana sakafo ara-pahasalamana dia mampitombony fahafahantsika mahazo sy mahatakatra fanambarana. Isika diahiaina ao anatin’ ny halavam-potoana nomena mba hiainantsika.Kanefa afaka mampivoatra ny hatsaran’ ny asa ataontsika sy izaymahasoa antsika isika amin’ ny alalan’ ny fanaovana safidy fenofitandremana sy araka ny tokony ho izy.

Zava-dehibe ny tsy tokony hanelingelenan’ ny zavatraataontsika isan’ andro ny fihainoantsika ny Fanahy.

Ny fanambarana koa dia mety ho azo amin’ ny alalan’ nynofy, rehefa misy ilay fiampitana tsy tsapa akory miala eo amin’ny torimaso mankany amin’ ny fifohazana. Raha miezaka tongadia mirakitra ny ao anatin’ ilay nofy ianao dia afaka mahazoantsipirian-javatra maro fa raha tsy izany dia manjavona vetivetyizany. Ny fifandraisana feno fitaomam-panahy ao anatin’ ny alinadia matetika arahin’ ny fahatsapan-javatra masina mandritra ilayfotoana iray manontolo itrangan’ izany. Ny Tompo dia mampiasaolona izay hajaintsika tokoa mba hampianatra antsikafahamarinana ao anatin’ ny nofy iray, satria matoky azy ireo isikaary hihaino ny toroheviny. Izany dia ny Tompo izay manaofampianarana amin’ ny alalan’ ny Fanahy Masina. Kanefa Izy aoanatin’ ny nofy iray dia sady afaka manao izay hahamora kokoany fahatakarana sy manao izay hahamora kokoa nyhahavoakasika ny fontsika amin’ ny alalan’ ny fampianaranaantsika amin’ ny alalan’ ny olona iray izay tiantsika syhajaintsika.

Rehefa hoe ho an’ ny tanjon’ ny Tompo izany dia afakamamerina na inona na inona Izy mba ho tsaroantsika. Izany diatsy tokony hampihena ny fahavononantsika hirakitra ireo hevitraazo avy amin’ ny Fanahy. Ireo fitaomam-panahy izay voarakitratsara dia mampiseho amin’ Andriamanitra fa masina ho antsikany fifandraisana Aminy. Ny firaketana koa dia hampivoatra nyfahafahantsika mahatsiaro fanambarana. Ny firaketana nytorolalan’ ny Fanahy toy izany dia tokony harovana mba tsy hovery na harovana amin’ ny fiselontselonan’ ny hafa.

F I V O R I A N A A S A B O T S Y T O L A K A N D R O

96

Page 103: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Ny soratra masina dia manome fanamafisana mihariharymikasika ny hoe ny fahamarinana iainana tsy tapaka diamanokatra ny varavaran’ ny fitaomam-panahy mbahahafantarana ny tokony hatao ary rehefa ilaina dia mbahampivoarana ny fahafaha-manaon’ ny tena manokana amin’ nyalalan’ ny hery masina. Ny soratra masina dia maneho ny fombahanamafisan’ ny Tompo amin’ ny fotoana ilana azy ny fahafahan’ny olona iray mandresy ny olana sy ny ahiahy ary ireo fanambyizay toa tsy zaka. Rehefa misaintsaina mikasika an’ ireo ohatraireo ianao dia hisy fanamafisana tony ho tonga amin’ ny alalan’ny Fanahy Masina fa marina ny zavatra niainan’ izy ireo.Hahafantatra ianao fa misy fanampiana mitovy amin’ izany koaho anao.

Efa nahita olona maro aho niatrika olana izay nahafantatra nytokony hatao rehefa mihoatra noho ny zavatra efa niainanymanokana izany, satria natoky ny Tompo izy ireo arynahafantatra fa izy dia hitarika azy ireo hahita vahaolana izayilaina maika.

Nanambara ny Tompo hoe: “Ary hampianarina avy anyambony ianareo. Hamasino ny tenanareo, dia hotafiana amin’ nyhery ianareo, mba hahazoanareo manome araka izaynoteneniko.”2 Ireo teny hoe hamasino ny tenanareo dia metyhahagaga. Ny Filoha Harold B. Lee dia nanazava indraymandeha fa ireo teny ireo dia azonao ovaina amin’ ilay andian-teny hoe “tandremo ny didiko.” Vakio amin’ izay endriny izayizany dia mety hazava kokoa ilay torohevitra.3

Ny olona iray dia tsy maintsy madio ara-tsaina sy ara-batanahatrany ary manana finiavana madio mba hahafahan’ ny Tompomanentana ny fanahiny. Izay mankatò ny didiny dia atokisan’ nyTompo. Izany olona izany dia mahazo fitaomam-panahy mbahahafantatra ny tokony hatao ary raha ilaina dia mahazo ny herymasina hanaovana izany.

Raha tiana hitombo ho mafy orina sy hitondra tombontsoakokoa ny fiainam-panahy dia tsy maintsy volena any amin’ nytoerana marina izany. Ny fieboeboana dia toy ny tany marivoambony vatolampy izay tsy hamokatra voa ara-panahy velively.

Ny fanetren-tena dia tany lonaka izay ahafahan’ ny fiainam-panahy mitombo sy mamokatra ny voan’ ny fanentanam-panahy

R I C H A R D G . S C O T T

97

Page 104: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

mba hahafantarana ny tokony hatao. Ny olona iray izay entanin’ny faniriana hahazo dera sy sitraka dia tsy ho mendrika ny hoampianaran’ ny Fanahy. Ny olona iray miatikatika na mamela nyfihetseham-pony hibaiko ny fanapahan-keviny dia tsy ho tarihin’ny Fanahy amin-kery.

Rehefa lasa fitaovana eo amin’ ny toeran’ ny hafa isika diamora mahazo fitaomam-panahy kokoa noho ny rehefamieritreritra fotsiny ny tenantsika. Ao anatin’ ilay dinganaarahana hanampiana ny hafa dia afaka manome antsikatorolalana manan-danja ho tombontsoantsika ny Tompo.

Ny Raintsika any an-danitra dia tsy nametraka antsika etoan-tany mba handamoka fa mba hahomby amim-boninahitra.Mety mifanohitra amin’ ny hevitry ny maro izany, saingy izay noantony maha tena sarotra ny fahatsapana ny valim-bavakaindraindray. Indraindray isika dia manandrana tsy am-piheverana miatrika ny fiainana amin’ ny alalan’ ny fianteheranaamin’ ny traikefantsika sy ny fahaiza-manaontsika manokana.Fahendrena kokoa ho antsika ny mikatsaka amin’ ny alalan’ nyvavaka sy ny fitaomam-panahy masina ny fahafantarana nytokony hatao. Ny fankatoavantsika dia manome antoka fa afakamahazo ny hery masina hanatanterahana tanjona avy amin’ nyfitaomam-panahy iray isika rehefa ilaina izany.

I Oliver Cowdery toa ny maro amintsika dia tsy nahafantatrany fisian’ ny valim-bavaka izay efa nomen’ ny Tompo. Mbahanokafana ny masony, sy ny masontsika dia nomena tamin’ nyalalan’ i Joseph Smith ity fanambarana ity:

“Lazaiko aminao marina dia marina tokoa, sambatra ianaonoho izay efa nataonao; fa efa nanontany Ahy ianao, ary indro,isaky ny avy nanontany ianao dia efa nandray toromarika avyamin’ ny Fanahiko. Raha tsy izany dia tsy ho tonga teo amin’ nytoerana izay misy anao amin’ izao fotoana izao ianao.

“Indro, fantatrao fa efa nanontany Ahy ianao ary nanazavany sainao Aho; ary ankehitriny lazaiko aminao ireto zavatra iretomba hahafantaranao fa efa nohazavain’ ny Fanahin’ nyfahamarinana ianao.”4

Raha mahatsapa ianao fa tsy namaly ny vavaka nataonaoAndriamanitra dia saintsaino ireo andinin-tsoratra masina

F I V O R I A N A A S A B O T S Y T O L A K A N D R O

98

Page 105: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

ireo—dia mitadiava tsara porofo eo amin’ ny fiainanaomanokana fa mety efa namaly ny vavaka nataonao Izy.

Misy zavatra roa ahafantarana fa avy amin’ Andriamanitrany fahatsapan-javatra iray na ny bitsika iray, dia rehefa mitondrafiadanana ao am-ponao izany sy fahatsapana fahatoniana syhafanana. Rehefa manaraka ireo fitsipika izay noresahako ireoianao, dia ho vonona ny hamantatra fanambarana izay miseho aoanatin’ ny fotoan-tsarotra eo amin’ ny fiainanao manokana.

Rehefa manaraka akaiky kokoa ny fitarihana masina ianaodia hahazo fifaliana bebe kokoa eto an-tany sy any amin’ nymandrakizay—ary ankoatra izay dia hitombo bebe kokoa nyfivoaranao sy ny fahafahanao manompo. Tsy takatro tanterakany fanatanterahana azy, saingy ny fitarihana eo amin’ nyfiainanao dia tsy manaisotra ny fahafahanao misafidy. Afakamandray izay fanapahan-kevitra nosafidianao ho raisina ianao.Saingy tsarovy fa ny fahavononana hanao ny tsara dia mitondrafiadanan-tsaina sy fifaliana.

Raha safidy ratsy no natao dia azo ovaina izany amin’ nyalalan’ ny fibebahana. Rehefa feno tanteraka ny fepetra takiany,ilay Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy dia manome fanafahanaamin’ ny fitakian’ ny fahamarinana noho ireo hadisoana natao.Tena tsotra amin’ ny fomba mahatalanjona izany ary tsara tsymisy anoharana. Rehefa manohy miaina amim-pahamarinanaianao dia hahazo bitsika foana hahafantarana ny tokony hatao.Indraindray mitaky ezaka lehibe sy fahatokiana avy aminao nyfahitana ny zavatra tokony hatao. Kanefa hahazo bitsika mbahahafantarana izay tokony hatao ianao rehefa mahafeno ireofepetra takiana hahazoana izany fitarihana masina izany eo amin’ny fiainanao. Izany fepetra izany dia ny fankatoavana ny didin’ny Tompo, ny fahatokiana ny drafitra masin’ ny fahasambaranyary ny fisorohana izay zavatra mifanohitra amin’ izany.

Tsy hoe zavatra tsy manan-danja ny fifandraisana amin’ nyRay any an-danitra. Tombontsoa masina izany. Mifototra amin’ny fitsipika mandrakizay ary tsy miova izany. Mahazofanampiana avy amin’ ny Raintsika any an-danitra isika ho valin’ny finoantsika sy ny fankatoavantsika ary ny fampiasantsikaaraka ny tokony ho izy ny fahafahantsika misafidy.

R I C H A R D G . S C O T T

99

Page 106: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

1.

2.

3.

4.

Enga anie ny Tompo ka hitaona ny fanahinareo mbahahatakatra sy hampiasa ireo fitsipika izay mitondra any amin’ny fahazoana fanambarana ho an’ ny tena manokana syfanentanam-panahy, amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.

FanamarihanaJoseph F. Smith, ao amin’ nyConference Report, Apr. 1916, 2–3;jereo koa Gospel Doctrine,famoahana fanindiminy (1939),430–31.Fotopampianarana syFanekempihavanana 43:16.

Jereo ny Teachings of Presidents of theChurch: Harold B. Lee (2000), 34.Fotopampianarana syFanekempihavanana 6:14–15.

F I V O R I A N A A S A B O T S Y T O L A K A N D R O

100

Page 107: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

F I V O R I A M B E N ’ N Y F I S O R O N A N A | 3 1 M a r t s a 2 0 1 2

Ireo Herin’ ny LanitraNataon’ ny Loholona David A. BednarAo amin’ ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifolo

Ireo mpihazona ny fisoronana tanora sy antitra diasady mila ny fahefana sy ny hery—ny fahazoan-dalanailaina sy ny hery ara-panahy hisolo tena an’Andriamanitra amin’ ny asan’ ny famonjena.

Ry rahalahiko malala, feno fankasitrahana aho fa afakamiaraka midera amin’ ny maha-vondrona lehibe mpihazona nyfisoronana antsika isika. Tiako sy ankasitrahako ianareo noho nyfahamendrehanareo sy ny ohatry ny fahatsarana ataonareomanerana an’ izao tontolo izao.

Manasa antsika tsirairay aho hieritreritra ny mety hohavalintsika amin’ ity fanontaniana napetraky ny Filoha David O.McKay tamin’ ny mpikamban’ ny Fiangonana ity taona maro lasaizay: “Raha amin’ izao fotoana izao ny tsirairay avy aminareo noasaina milaza ao anatin’ ny fehezanteny iray na andian-teny irayny endrika mampiavaka indrindra Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristyho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany dia ahoana no mety hovalinteninareo?” (“The Mission of the Church and Its Members,”Improvement Era, Nôv. 1956, 781).

Ny valinteny nomen’ ny Filoha McKay tamin’ izanyfanontaniana napetrany izany dia ny “fahefana avy any an-danitra” izay an’ ny fisoronana. Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy hoan’ ny Olomasin’ ny Andro Farany dia tsy mitovy amin’ ireofiangonana hafa izay milaza fa ny fahefana ananan’ izy ireo diaazo avy tamin’ ny fahefana natolotr’ olona nifandimby toerana,na avy tamin’ ny soratra masina na avy tamin’ ny fianaranateôlôjia. Manambara mazava isika fa ny fahefan’ ny fisoronana

101

Page 108: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

dia nomena tamin’ ny alalan’ ny fametrahan-tanana mivantananataon’ ireo iraky ny lanitra tamin’ ny Mpaminany Joseph Smith.

Hifantoka amin’ izany fisoronana masina sy ny herin’ nylanitra izany ny hafatro. Mivavaka aho mba ho tohanan’ nyFanahin’ ny Tompo eo am-pandalinantsika miaraka ireofahamarinana manan-danja ireo.

Fahefana sy Herin’ ny FisoronanaNy fisoronana dia fahefan’ Andriamanitra nampandraiketina

ireo lehilahy eto an-tany mba hanaovana ireo zava-drehetra hoan’ ny famonjena ny zanak’ olombelona (jereo ny Spencer W.Kimball, “The Example of Abraham,” Ensign, Jiona 1975, 3). Nyfisoronana no fitaovana hampiasain’ ny Tompo amin’ ny alalan’ireo lehilahy hamonjena fanahy. Ny iray amin’ ny zavatramampiavaka ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy, taloha sy ankehitriny,dia ny fahefany. Tsy hisy Fiangonana marina raha tsy miarakaamin’ ny fahefana avy any an-danitra.

Nomena ny fahefan’ ny fisoronana ireo lehilahy tsotra. Nyfahamendrehana sy ny faniriana no mahavoafidy amin’ nyfanendrena amin’ ny fisoronana—fa tsy ny traikefa na fahaizanana ny fahalalana.

Ny lamina hahazoana ny fahefan’ ny fisoronana diavoafaritra ao amin’ ny fanekem-pinoana fahadimy: “Mino isika fatsy maintsy voantson’ Andriamanitra amin’ ny alalan’ nyfaminaniana sy amin’ ny alalan’ ny fametrahan-tanana, ataon’ireo izay manana fahefana, ny olona iray vao mitory symanatanteraka ny ôrdônansin’ ny Filazantsara.” Noho izany diamandray ny fahefan’ ny fisoronana ary atokana amin’ ny anjarafanompoana iray miavaka amin’ ny alalan’ ny olona iray izaymihazona ny fisoronana ary nahazo lalana tamin’ ny mpitarikaizay mihazona ny fanalahidy mifandraika amin’ izany nyzazalahy na lehilahy iray.

Andrasana ny hampiasan’ ireo mpihazona ny fisoronana ityfahefana masina ity araky ny eritreritra, sitrapo ary tanjonamasin’ Andriamanitra. Tsy misy fitiavan-tena ao amin’ nyfisoronana. Ny fisoronana dia ampiasaina hatrany mbahanompoana, sy hitsofana rano ary hampaherezana ireo olon-kafa.

F I V O R I A M B E N ’ N Y F I S O R O N A N A

102

Page 109: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Ny fisoronana ambonimbony kokoa dia azo amin’ ny alalan’ny fanekempihavanana matotra izay ahitana ireo adidy ny hanaoasa eo ambanin’ ity fahefana ity (jereo ny F&F 68:8) sy ny anjarafanompoana (jereo ny F&F 107:99) izay noraisina. Amin’ nymaha-mpihazona ny fahefana masin’ Andriamanitra dia tokonyho tompon’ andraikitra mihetsika isika fa tsy hetsehina (jereo ny2 Nefia 2:26). Ny fisoronana dia natao hihetsika fa tsyhohetsehina.

Nampianatra ny Filoha Ezra Taft Benson hoe:“Tsy ampy ny fandraisana fotsiny ny fisoronana ary avy eo

mipetraka amim-pahalainana sy miandry mandrapitenin’ nyolona antsika hanao zavatra. Rehefa mandray ny fisoronana isikadia manana ny adidy ho tonga mazoto sy hirotsaka hanaparitakany fahamarinana eto an-tany, satria ny Tompo dia nilaza fa:

“ ‘ . . . Fa izay tsy manao na inona na inona raha tsy baikoanaary mandray baiko amin’ ny fo feno fisalasalana kamanatanteraka izany ao amin’ ny hakamoana, dia voaheloka.’[F&F 58:29]” (So Shall Ye Reap [1960], 21).

Nanantitrantitra ny toetra mitaky fihetsehana izay an’ nyfisoronana koa ny Filoha Spencer W. Kimball. “Mandika nyfanekempihavanan’ ny fisoronana ny olona iray amin’ ny alalan’ny fandikany ny didy—kanefa manao izany koa amin’ ny tsyfanaovana ny adidy. Noho izany, ny tsy fanaovana na inona nainona dia efa fandikana izany fanekempihavanana izany” (Le Miracle dePardon [1969], 96).

Rehefa manao ny tsara indrindra hanatanterahana nyandraikitsika ao amin’ ny fisoronana isika dia ho voatahy amin’ny herin’ ny fisoronana. Ny herin’ ny fisoronana dia herin’Andriamanitra ampiasaina amin’ ny alalan’ ny lehilahy syzazalahy toa antsika ary izany dia mitaky ny fiainan’ ny tenaamim-pahamarinana, fahatokiana, fankatoavana ary fikirizana.Mety mandray ny fahefan’ ny fisoronana amin’ ny alalan’ nyfametrahan-tanana ny zazalahy na lehilahy iray kanefa tsyhanana ny herin’ ny fisoronana izy raha toa ka tsy mankatò, tsymendrika na tsy manana faniriana ny hanompo.

“Fa ireo zon’ ny fisoronana dia mifamatotra tsy azo sarahinaamin’ ny herin’ ny lanitra, ary ny herin’ ny lanitra dia tsy azo

D A V I D A . B E D N A R

103

Page 110: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

fehezina na ampiasaina raha tsy araka ireo fitsipiky nyfahamarinana.

“Marina fa azo atolotra antsika ireo zo ireo; kanefa rehefamiezaka ny hanafina ny fahotantsika isika, na ny hampanaranany fiavonavonantsika sy ny hambom-pontsika poaka aty, na nyhampiasa fifehezana na fanjakazakana na fanerena amin’ nyfanahin’ ny zanak’ olombelona, na manao ahoana na manaoahoana ampahan’ ny tsy fahamarinana amin’ izany, dia indro,misintona ny lanitra; malahelo ny Fanahin’ ny Tompo; ary rehefamisintona izany, dia Amena ho an’ ny fisoronana na ny fahefan’izany lehilahy izany” (F&F 121:36–37; nampiana fanamafisana).

Ry rahalahy, tsy eken’ ny Tompo ny fandraisan’ ny zazalahyna lehilahy iray ny fahefan’ ny fisoronana kanefa manaoambanin-javatra ny tokony ho atao mba hahamendrika hananany herin’ ny fisoronana. Ireo mpihazona ny fisoronana tanora syantitra dia sady mila ny fahefana sy ny hery—ny fahazoan-dalana ilaina sy ny hery ara-panahy hisolo tena an’Andriamanitra amin’ ny asan’ ny famonjena.

Lesona iray avy tamin’ ny RaikoNotaizana tao amin’ ny tokantrano iray nisy reny mahatoky

sy ray mahafinaritra aho. Ny mamako dia taranaka avy amin’ nympamaky lay izay nahafoy ny zava-drehetra ho an’ nyFiangonana sy ny fanjakan’ Andriamanitra. Ny dadako dia tsympikamban’ ny Fiangonantsika ary nanam-paniriana ny hotonga môpera Katôlika fony fahakeliny. Tamin’ ny farany anefadia nisafidy ny tsy hanatrika ireo seminera fianarana teôlôjia izyfa nianatra kosa ny ho tonga mpanamboatra fitaovana sy loko.

Nandritra ny ankamaroan’ ny fiainana ara-panambadiany diananatrika ny fivorian’ Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ nyOlomasin’ ny Andro Farany niaraka tamin’ ny fianakaviako nyraiko. Raha ny marina dia tsy nihevitra mihitsy ny ankamaroan’ireo olona fa tsy mpikamban’ ny Fiangonana ny raiko. Nilalao synanazatra ny ekipa mpilalao softball tao amin’ ny paroasinay izy,nanampy tamin’ ny asa natao teo amin’ ny Skoto, ary nanohanany reniko tamin’ ireo antso sy andraikitra maro nohazoniny. Te-hizara aminareo ny lesona lehibe iray nianarako avy tamin’ nyraiko aho mikasika ny fahefana sy herin’ ny fisoronana.

F I V O R I A M B E N ’ N Y F I S O R O N A N A

104

Page 111: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Fony aho zazalahikely dia im-betsaka aho ao anatin’ nyherinandro no nanontany an-draiko hoe rahoviana ihany no hoatao batisa izy. Namaly tamim-pitiavana kanefa tamin’ ny fombahentitra foana izy isaky ny nanadala azy tamin’ izany aho:“David a! Tsy ho tonga mpikamban’ ny Fiangonana noho nyrenin’ ise, na noho ny amin’ ise na noho ny olon-kafa aho. Hotonga mpikamban’ ny Fiangonana aho rehefa fantatro fa izany nozavatra tsara tokony ho atao.”

Angamba teo amin’ ny fiantombohan’ ny taonan’ nyfahatanorako aho rehefa nitranga ity resaka manaraka teo amikosy ny raiko ity. Niverina tany an-trano vao avy niaraka nanatrikaireo fivoriana Alahady izahay ary nanontany ny raiko aho hoerahoviana no ho atao batisa izy. Nitsiky izy sady niteny hoe: “Isefoana no manontany ahy hoe rahoviana aho no hatao batisa.Androany aho dia manana fanontaniana ho an’ ise.” Nanaotsoan-kevitra haingana aho tamin’ ny fieritreretana fa misyfivoarana mitranga!

Hoy ny raiko: “David a! Mampianatra ny fiangonanao fanesorina teto an-tany tamin’ ny andro fahiny ny fisoronana arynaverina tamin’ ny laoniny nomen’ ireo iraky ny lanitra tamin’ nyalalan’ ny Mpaminany Joseph Smith, marina ve izany?” Namalyaho fa marina izany filazana izany. Dia hoy izy avy eo: “Izao aryny fanontaniako. Isan-kerinandro mandritra ny fivorian’ nyfisoronana dia mihaino ny eveka sy ireo mpitarika ao amin’ nyfisoronana hafa aho mampahatsiahy, mangataka ary miangavyireo lehilahy mba hanao ny fampianarana isan-tokantrano syhanao ireo adidin’ ny fisoronana anjarany. Raha toa nyfiangonanareo ka namerina tamin’ ny laoniny marina nyfisoronan’ Andriamanitra, nahoana no tsy misy mampiavaka nylehilahy ao amin’ ny fiangonanareo amin’ ireo lehilahy any amin’ny fiangonako mikasika ny fanaovana ny adidiny masina?”Foana avy hatrany ny tao an-tsaiko. Tsy nanana valiny sahaza hoan’ ny raiko aho.

Nieritreritra aho fa diso ny raiko mitsara ny filazana marinaataon’ ny Fiangonana amin’ ny fihazonana ny fahefana masinanoho ny fahalemen’ ireo lehilahy izay mifanerasera aminy aoamin’ ny paroasinay. Rehefa nandinika lalina ny fanontanianyanefa aho dia mitombina ny eritreriny izay milaza fa ireo lehilahy

D A V I D A . B E D N A R

105

Page 112: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

mihazona ny fisoronana masin’ Andriamanitra dia tokonyhiavaka amin’ ireo lehilahy hafa. Ireo lehilahy izay mihazona nyfisoronana dia tsy tsaratsara kokoa mihoatra ireo lehilahy hafa fakosa tokony hiavaka ny zavatra ataony. Ireo lehilahy izaymihazona ny fisoronana dia tokony tsy handray fotsiny nyfahefan’ ny fisoronana fa koa mendrika sy mahatoky amin’ nyfampiasana ny herin’ Andriamanitra. “Madiova ianareo izaymitondra ny fanaky ny Tompo” (F&F 38:42).

Tsy hadinoko velively ireo lesona mikasika ny fahefana syherin’ ny fisoronana nianarako avy tamin’ ny raiko, lehilahy tsaratsy mpikambana ao amin’ ny finoantsika, izay nanantena zavatrabebe kokoa amin’ ireo izay milaza fa mihazona ny fisoronan’Andriamanitra. Izany resaka nifanaovako tamin’ ny raiko indrayAlahady tolakandro taona maro lasa izany dia niteraka tatoanatiko faniriana ny ho tonga “zazalahy hendry.” Tsy te-hoohatra ratsy sy sakana eo amin’ ny fivoaran’ ny raiko amin’ nyfianarana ny filazantsara izay naverina tamin’ ny laoniny aho. Te-ho zazalahy kely hendry fotsiny aho. Mila antsika rehetrampihazona ny fahefany haneho fanajana, marin-toetra ary holehilahy hendry amin’ ny fotoana sy toerana rehetra ny Tompo.

Mety hahaliana anao ny hahafantatra fa taona maro tatyaoriana dia vita batisa ny raiko. Ary tamin’ ny fotoana nifanarakatamin’ izany dia nanana fahafahana aho nanome azy ireoFisoronana Aharôna sy Melkizedeka. Iray amin’ ireo traikefalehibe teo amin’ ny fiainako ny fanatrehako ny raiko nandrayizany fahefana izany ary tsikelikely teny dia ny herin’ nyfisoronana.

Zaraiko aminareo izany lesona manokana nianarako avytamin’ ny raiko izany mba hanamafisana fahamarinana tsotra. Nyfandraisana ny fahefan’ ny fisoronana amin’ ny alalan’ nyfametrahan-tanana dia fiantombohana manan-danja, kanefa tsyampy. Ny fanendrena dia manome fahefana kanefa nyfahamarinana dia mitaky asa miaraka amin’ ny hery rehefamiezaka mankahery fanahy, mampianatra sy mijoro hovavolombelona, mitahy sy manoro hevitra ary mampandroso nyasan’ ny famonjena isika.

Amin’ ity fotoana eto amin’ ny tantaran’ izao tontolo izao itydia mila lehilahy marina sy fitaovana mahomby eo am-

F I V O R I A M B E N ’ N Y F I S O R O N A N A

106

Page 113: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

pelantanan’ Andriamanitra izaho sy ianao izay mpihazona nyfisoronana. Mila mijoro amin’ ny maha-lehilahin’ Andriamanitraantsika isika. Tsara ho ahy sy ho anao ny mianatra sy manarakany ohatr’ i Nefia, ilay zafikelin’ i Helamàna sy mpianatravoalohany tamin’ ireo roambinifolo nantsoin’ ny Mpamonjy teoam-panombohany ny asa fanompoany teo anivon’ ireo Nefita.“Ary i [Nefia] nampiana[tra] azy [ireo] zavatra maro; . . . Ary iNefia dia nampianatra tamin-kery sy fahefana lehibe” (3 Nefia7:17).

“Mba Ampio ny Vadiko Hahatakatra”Eo am-pamaranana ireo tafa sy dinika amin’ ny fahazoan-

dalana mankany amin’ ny tempoly izay notarihako tamin’ nynaha-eveka sy filohan’ ny tsatòka ahy dia matetika ahomanontany ireo rahavavy manambady mikasika ny fomba tsaraindrindra azoko atao hanompoana azy ireo sy ny fianakaviany.Ny valiny matetika lazain’ ireo vehivavy mahatoky ireo diamitondra fampianarana sy fanairana. Mahalana no mitaraina namitsikera ireo rahavavy ireo kanefa matetika kosa toy izao nolazainy: “Mba ampio ny vadiko hahatakatra ny andraikiny amin’ny maha-mpitarika ny fisoronana azy ao an-tokantrano. Faly ahomitarika ny fandalinana ny soratra masina, vavaky nympianakavy ary takarivan’ ny mpianakavy ary hanohy hanaoizany hatrany aho. Kanefa iriako raha ho mpiara-miasa amiko nyvadiko ary hanome ny fitarihan’ ny fisoronana matanjaka izayazony atao. Mba ampio ny vadiko hianatra ireo fombahahafahany ho tonga patriarika sy mpitarika ao amin’ nyfisoronana ao an-tokantranonay izay mpiahy sy mpiaro.”

Mieritreritra matetika ireo fahitsim-pon’ ireo rahahavy ireoaho. Mandre ahiahy mitovitovy amin’ izany amin’ izao fotoanaizao ireo mpitarika ao amin’ ny fisoronana. Maro ireo vehivavyno mangataka ireo vadiny mba tsy hanana fotsiny ny fahefan’ nyfisoronana fa hanana koa ny herin’ ny fisoronana. Miandrandrazioga mitovy amin’ ireo vady mahatoky sy mpihazona nyfisoronana izy ireo eo amin’ ny asa fanorenana tokantranohifantoka amin’ i Kristy sy amin’ ny filazantsara.

Ry rahalahy, mampanantena anareo aho fa raha mandalinaamim-bavaka ireo fangatahan’ ireo rahavavy ireo izaho sy ianaodia hanampy antsika ny Fanahy Masina hahalala hoe iza marina

D A V I D A . B E D N A R

107

Page 114: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

isika (jereo ny F&F 93:24) ary hanampy antsika hahafantatra ireozavatra mila hovaintsika sy hatsaraintsika. Ary izao ankehitrinyizao no fotoana hanaovana izany!

Aoka Ianareo ho Ohatra amin’ ny FahamarinanaTe-hanantitrantitra ny fampianaran’ ny Filoha Thomas S.

Monson aho anio hariva izay nanasa antsika mpihazona nyfisoronana mba ho tonga “ohatra amin’ ny fahamarinana.”Nampahatsiahy antsika tsy tapaka izy fa eo am-panompoana nyTompo isika ary mendrika ny hahazo ny fanampiany araky nyfahamendrehantsika (jereo ny “Examples of Righteousness,”Liahona, Mey 2008, 65–68). Izaho sy ianao dia mihazona nyfahefan’ ny fisoronana izay naverina teo an-tany tamin’ ityfotoampitantanana ity tamin’ ny alalan’ ny iraky ny lanitra, dia iJaona Mpanao Batisa sy i Petera, i Jakoba ary i Jaona. Noho izany,ireo lehilahy rehetra izay nandray ny Fisoronana Melkizedeka diaafaka manoritra ny fifanohizan’ ny fahefany mivantana hatranyamin’ ny Tompo Jesoa Kristy. Manantena aho fa fenofankasitrahana amin’ ity fitahiana mahatalanjona ity isika.Mivavaka aho mba ho madio sy mendrika hisolo tena ny Tompoisika eo am-pampiasana ny fahefany masina. Enga anie ka homendrika ny herin’ ny fisoronana isika tsirairay.

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny fisoronana masina dianaverina tamin’ ny laoniny eto an-tany amin’ izao andro faranyizao ary ato amin’ Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ nyOlomasin’ ny Andro Farany. Mijoro ho vavolombelona koa aho fany Filoha Thomas S. Monson no mpisorona avo mpiahy nyfisoronana ambonin’ ny Fiangonana (jereo ny F&F 107:9, 22,65–66, 91–92) ary hany olona eto an-tany izay sady mihazona nohany manana lalana hampiasa ny fanalahidin’ ny fisoronanarehetra. Ireo fahamarinana ireo no ijoroako ho vavolombelonaamin’ ny anarana masin’ ny Tompo Jesoa Kristy, amena.

F I V O R I A M B E N ’ N Y F I S O R O N A N A

108

Page 115: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Ny Fanavotana ho amin’ny Fivoarana Azo Tsapain-tananaNataon’ ny Eveka Richard C. EdgleyVao Nisaorana tamin’ ny naha-Mpanolotsaina Voalohany azy tao amin’ny Episkôpà Mpiahy

Asa izay niantsoan’ ny Mpamonjy mba ho ataontsikarehetra ny fanavotana fanahy.

Tao anatin’ ny volana vitsivitsy izay dia nampitomboana nyfifantohana amin’ ny fanorenana “fivoarana azo tsapain-tanana”ato am-piangonana, izay hitondrana ny olon-drehetra any amin’ny fandraisana sy fitandremana ireo ôrdônansy syfanekempihavanan’ ny famonjena sy fiainana ny fiovam-pomahery vaika araky ny namaritan’ i Almà azy (jereo ny Almà5:14). Iray amin’ ireo fomba mahery vaika sy manan-danjaindrindra mba hanorenana fivoarana azo tsapain-tanana atoamin’ ny Fiangonana dia ny fifandraisana amin’ ireo izay vitabatisa kanefa lasa malaina, dia tsy mahazo ireo fitahiana syôrdônansin’ ny famonjena ary ny fanavotana azy ireo. Na inonana inona antsontsika tsirairay—mpampianatra na mpamangyisan-tokantrano, mpampianatra amin’ ny Sekoly Alahady, eveka,ray, reny, na Manampahefana Ambony—isika rehetra dia afakamirotsaka ao anatin’ ilay asa fanavotana amin’ ny fomba manan-danja. Ny fitondrana ny olon-drehetra rahateo—nyfianakaviantsika, ireo tsy mpikambana, ireo malaina, ary ireompanota—hanatona an’ i Kristy mba handraisany ny ôrdônansin’ny famonjena no antso masina niantsoana antsika rehetra.

Indray Alahady maraina 30 taona lasa izay, raha nanompotao amin’ ny fiadidian’ ny tsatòka iray aho dia nandray antso an-

R I C H A R D C . E D G L E Y

109

Page 116: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

tariby avy tamin’ ny iray amin’ ireo eveka mahatokinay izahay.Nanazava izy fa nitombo faingana ny paroasiny ka tsy afakamanome antso manan-danja ho an’ ireo mpikambana mendrikarehetra intsony izy. Ny fangatahany taminay dia ny hizarana nyparoasiny. Teo am-piandrasana ny fankatoavana izany izahay diananapa-kevitra tamin’ ny naha-fiadidian’ ny tsatòka anay fahitsidika ilay paroasy ary hiantso ireo rahalahy sy rahavavymahafinaritra rehetra mendrika ireo ho misiôneran’ ny tsatòka.

Ilay olona fahatelo niresaka tamiko dia vehivavy tanora,mpianatra iray tao amin’ ny oniversite teo an-toerana. Taorian’ny firesahanay nandritra ny fotoana vitsivitsy dia nandroso ilayantso mba ho misiônera aho. Nisy fahanginana kely nandritra nyfotoana fohy. Dia hoy izy hoe: “Filoha a! Tsy fantatrao angaha fatsy dia mavitrika anie izaho ato am-piangonana e?”

Nangina kely aho nandritra ny fotoana vitsivitsy ary nitenyhoe: “Tsia, tsy fantatro hoe tsy mavitrika ianao.”

Namaly izy hoe: “Tsy dia navitrika tato am-piangonana ahoefa ho taona maromaro izay.” Avy eo dia hoy izy hoe: “Tsyfantatrao angaha fa rehefa avy nalaindaina ianao dia tsymoramora foana ny fiverenana?”

Hoy aho namaly hoe: “Tsia. Amin’ ny 9:00 maraina nomanomboka ny fotoam-pivavahan’ ny paroasinareo. Rehefatonga ato am-piangonana ianao dia tsarovy fa miaraka aminay.”

Namaly izy hoe: “Tsia, tsy mora toy izany filazanao izanyilay izy. Maro ny ahiahy miserana ao an-tsainao. Miahiahy ianaoraha toa ka hisy olona hiarahaba anao na raha hipetraka ireryianao sy tsy hisy hahatsikaritra mandritra ny fivoriam-bavaka.Ary miahiahy koa ianao raha horaisin’ ny olona tsara ary iza noho namanao vaovao.”

Tamin-dranomaso izay nirotsaka teo amin’ ny takolany nonanohizany avy eo hoe: “Fantatro fa nivavaka nandritra ny taonamaro ny reniko sy ny raiko mba hampiverina ahy ato am-piangonana.” Ary taorian’ ny fahanginana kely dia hoy izy hoe:“Tao anatin’ ny telo volana izay dia nivavaka aho mba hanana nyherimpo sy tanjaka ary fomba hiverenana ho mavitrika indray.”Avy eo dia nanontany izy hoe: “Filoha a! Mety ho valin’ ireovavaka nataoko ve ity antso ity?”

F I V O R I A M B E N ’ N Y F I S O R O N A N A

110

Page 117: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Nanomboka nirotsaka ny ranomasoko teo am-pamaliana azyhoe: “Izaho dia mino fa namaly ny vavaka nataonao ny Tompo.”

Tsy vitan’ ny nanaiky ilay antso fotsiny izy fa tena lasampitory ny filazantsara namiratra tokoa. Ary azoko antoka fanitondra fifaliana lehibe tokoa tsy ho an’ ny tenany ihany izy faho an’ ireo ray aman-dreniny koa ary ho an’ ireo olona hafa aoamin’ ny fianakaviany.

Maromaro ireo zavatra nianarako na nampahatsiahivina ahyavy tamin’ ity tafa sy dinika ity sy ireo nitovitovy tamin’ izany:

Fantatro fa maro ireo mpikambana malaina no manana ireoolon-tiany izay mandohalika isan’ andro mangatakafanampiana amin’ ny Tompo mba hanavotana ireo olon-tiany.

Nianatra aho fa tsy moramora na tsotra mihitsy ho an’ ireompikambana malaina ny miverina ato am-piangonana. Milafanampiana izy ireo. Mila fanohanana izy ireo ary milanamana.

Nianatra koa aho fa manana mpikambana malaina isika izaymiezaka sy maniry ny hitady ilay lalana hiverenana amin’ nyfahavitrihana.

Nianatra aho fa maro ireo mpikambana malaina no handrayantso raha angatahina hanao izany.

Nahafantatra aho fa ny mpikambana malaina iray diamendrika ny horaisina amin’ ny fomba tsy miangatra syhojerena amin’ ny maha-zanakalahy na zanakavavin’Andriamanitra feno fitiavana azy.

Nandritra ny taona maro dia nanontany tena aho hoe honanao ahoana izany tafa sy dinika izany raha toa ka noraisikotamin’ ny naha-mpikamban’ ny Fiangonana malaina azy izy.Avelako ianareo hitsara.

Lafiny iray ao amin’ ny asan’ ny Tompo izay manan-danjafoana ny fampahavitrihana. Raha toa ka andraikitry nympikambana tsirairay ny fanavotana dia tokony andraikitry nympihazona ny Fisoronana Aharôna sy Melkizedeka ny mitarikaizany asa izany. Izany rahateo no votoatin’ ny asa fanompoana ao

R I C H A R D C . E D G L E Y

111

Page 118: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

amin’ ny fisoronana—mitondra ny olon-drehetra ho ao amin’ nyfanekempihavanana mampisandratra izay mitondra fiadanana,fifaliana ary fahamendrehana.

Tsaroanareo angamba ao amin’ ny Bokin’ i Môrmôna rehefanahita ireo Zôramita nanalavitra ny Fiangonana i Almà Zananydia nandrafitra ekipa mpitarika ny Fiangonana izy mbahanavotra ireo olona ireo. Teo am-panatontosan’ izy ireo izanyandraikiny izany dia niangavy tamin’ ny Tompo i Almà tamin’nyalalan’ ireto teny ireto izy ireo:

“Tompo ô, hotovinao aminay anie ny hahazoanayfahombiazana amin’ ny fitondrana azy ireo indray hankanyAminao ao amin’ i Kristy.

“Indro, Tompo ô, sarobidy ny fanahiny, ary maro aminy norahalahinay; noho izany, omeo anay Tompo ô, ny fahefana sy nyfahendrena mba hahazoanay mitondra indray ireto rahalahinayireto hankany Aminao” (Almà 31:34–35; nampianafanamafisana).

Volana vitsivitsy lasa izay taorian’ ny fivoriana nihaonakotamin’ ireo mpikambana vao niova fo sy malaina dia nisyrangahy iray niverina navitrika izay mitovitovy taona tamikonanatona ahy ary nilaza hoe: “Izaho dia tsy navitrika nandritrany ankamaroan’ ny fiainako. Vao kely aho dia efa nihemotra tatoamin’ ny Fiangonana. Kanefa ankehitriny aho tafaverina arymiasa ao amin’ ny tempoly miaraka amin’ ny vadiko.”

Mba hahafahako maneho aminy fa milamina ny zava-drehetra dia toy izao no valinteniko: “Milamina ny zava-drehetraka tsara fiafarana izany.”

Hoy ny navaliny hoe: “Tsia, tsy milamina ny zava-drehetra.Niverina ato am-piangonana aho saingy namoy ny zanako sy nyzafikeliko rehetra. Ary ankehitriny aho dia manatri-maso nyfamoizana ny zafiafiko—izay any ivelan’ ny Fiangonana daholo.Tsy milamina ny zava-drehetra.”

Ao amin’ ny fianakavianay dia manana razambe iray izahayizay lasa mpikamban’ ny Fiangonana tany Eorôpa tamin’ nyfotoana niantombohan’ ny Fiangonana. Lasa nalaina nyzanakalahy iray. Niezaka nikaroka ny taranak’ io razambe tsynavitrika tato am-piangonana io izaho sy Rahavavy Edgley.

F I V O R I A M B E N ’ N Y F I S O R O N A N A

112

Page 119: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Mora tamiko sy ny vadiko ny nanao tsoan-kevitra fanandritra ireo taranaka enina nifandimby manaraka ary miarakaamin’ ny vinavina tsotsotra natao dia mety ho teo amin’ ny olonamiisa 3.000 tao amin’ ny fianakaviana no nafoy. Aleo ampianataranaka roa fanampiny izany. Mety ho tafakatra any amin’ ny20.000 ka hatramin’ ny 30.000 ireo zanaky ny Raintsika any an-danitra nafoy.

Ny andraikitra amin’ ny fanavotana dia mifototra amin’ nyiray amin’ ireo fotopampianarana fototra ijoroan’ ny Fiangonana.

“Tadidio fa lehibe ny hasarobidin’ ny olona eo imason’Andriamanitra;

“Fa indro, ny Tompo Mpanavotra anao dia niaritrafahafatesana tamin’ ny nofo; koa niaretany ny fangirifirian’ nyolon-drehetra, mba hahazoan’ ny olon-drehetra mibebaka sy manatonaAzy. . . .

“Ary raha toa aza ka miasa amin’ ny andronareo rehetraianareo hitory fibebahana amin’ ity vahoaka ity ary mitondraolona iray monja ho Ahy, akory ny halehiben’ ny fifalianareomiaraka aminy ao amin’ ny fanjakan’ ny Raiko!” (F&F 18:10–11,15; nampiana fanamafisana).

Nanana fahafahana nanavotra mpikambana malainavitsivitsy aho nandritra ny fiainako. Ankehitriny rehefa mitondrairay hiverina havitrika ato am-piangonana aho dia tsy fanahyiray monja no alaiko sary an-tsaina—fa mahita taranaka enina,fito, na mihoatra aho—fanahy an’ arivony. Avy eo aho diamieritreritra an’ ilay soratra masina hoe: “Mitondr[à] olona iraymonja ho Ahy, [dia ho] akory ny halehiben’ ny fifalianareo” (F&F18:15).

Niteny tamin’ ny Apôstôliny ny Tompo hoe: “Be ny vokatra,fa ny mpiasa no vitsy” (Matio 9:37). Tsy tokony ho vitsy nympiasa. Manana mpihazona ny fisoronana an’ arivony mahavitasy mendrika isika ary mpikamban’ ny Fiangonana an-tapitrisanymanolo-tena manerana an’ izao tontolo izao. Manana filankevitryny paroasy, kôlejin’ ny fisoronana, Fikambanana Ifanampiana aryfikambanana hafa izay miasa isika ary manana andraikitra nyhanavotra daholo. Asa izay niantsoan’ ny Mpamonjy mba hoataontsika rehetra ny fanavotana fanahy.

R I C H A R D C . E D G L E Y

113

Page 120: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Tany am-piandohan’ ity lahateniko ity aho dia nilazamikasika ny vavaka nataon’ i Almà sy ireo namany raha teo am-pirotsahana ny hanavotra ireo Zôramita izy ireo. Nandritra nyAdy Lehibe faha-II dia miaramila Amerikana miisa 500 teo ho eosy olona mpanohana avy teo an-toerana no nogadraina tany am-ponja. Vokatry ny fijaliana sy fiahiahiana ny ain’ izy ireo dia nisytafika mpilatsaka an-tsitrapo izay ahitana miaramila Amerikanamiisa 100 nofantenana mba hanavotra ireo gadra ireo. Taorian’ny fanangonana ireo mpilatsaka an-tsitrapo dia nanometorolalana ho an’ izy ireo arak’ izao voalaza izao ny mpitari-tafika: “Anio hariva ianareo ry lehilahy rehetra dia hihaona amin’ny mpitondra fivavahanareo, handohalika ary hampanantenaamin’ Andriamanitra fa raha mbola velon’ aina dia tsy hamela nyiray amin’ ireo lehilahy ireo hijaly bebe kokoa.” (Jereo nyHampton Sides, Ghost Soldiers: The Forgotten Epic Story of WorldWar II’ s Most Dramatic Mission [2001], 28–29.) Izany fanavotananahitam-pahombiazana izany dia fanavotana tamin’ ny fijalianaara-batana sy ara-nofo. Moa tokony ho latsak’ izany ve ny ezakaataontsika hanavotana ireo mizaka voka-javatra ara-panahy symandrakizay? Moa tokony ho latsak’ izany ve ny fanoloran-tenantsika amin’ ny Tompo?

Eto am-pamaranana, ny fanoloran-tenantsika amin’ ny maha-mpikambana ato amin’ ny Fiangonana marin’ i Kristy dia avyamin’ ny hoe ny Tompo dia nijaly ho antsika tsirairay avy—nytsy mpikambana, ny mpikambana malaina, na ny mpanota azaary ireo olona rehetra ao amin’ ny fianakaviantsika. Izaho diamino fa afaka hitondra olona an’ arivony ho ao amin’ ny fifaliana,fiadanana sy hatsaran’ ny filazantsara isika, ary hitondra olonaan’ arivony, sy an-tapitrisany mihitsy aza, ao amin’ ny taranak’izy ireo ho avy. Izaho dia mino fa afaka ny hahita fahombiazanaisika satria Fiangonan’ ny Tompo ity ary noho ny maha-zava-dehibe ny fisoronana sy ny maha-mpikambana antsika dianantsoina isika mba hitondra fahombiazana. Izany no ijoroako hovavolombelona aminareo amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.

F I V O R I A M B E N ’ N Y F I S O R O N A N A

114

Page 121: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Fisoronana Aharôna:Mitsangàna ary Ampiasaony Herin’ AndriamanitraNataon’ i Adrián OchoaMpanolotsaina Faharoa ao amin’ ny Fiadidian’ ny ZatovolahyManeran-tany

Ny fisoronana dia ilaina ampiasaina mbahanatontosana zavatra tsara. Ianareo dia nantsoinamba “hitsangana ary hamirapiratra” fa tsy hanafina nyfahazavanareo anaty haizina.

Vao tsy ela akory aho izay no tany Afrika Atsimo nitsidikatokantrano niaraka tamin’ i Thabiso, izay mpanampy voalohanytao amin’ ny kôlejin’ ny mpisorona tao amin’ ny paroasin’ iKagiso. I Thabiso sy ny evekany izay miahy sy mihazona nyfanalahidin’ ny kôlejy dia nivavaka ho an’ ireo mpikambana aoamin’ ny kôlejy izay malaina, ary nikatsaka fitaomam-panahymba hahafantarana hoe iza no hotsidihana ahoana nohanampiana azy ireo. Nisy nanosika azy ireo hitsidika nytokantranon’ i Tebello, ary dia nasain’ izy ireo aho hiaraka amin’izy ireo.

Rehefa nandalo ilay alika masiaka voahofana hiambinaizahay dia tafiditra tao amin’ ny efitrano fandraisam-bahinyniaraka tamin’ i Tebello, zatovolahy iray tsy dia be teny izaynitsahatra tsy nankany am-piangonana satria sahirana nanaozavatra hafa izy isaky ny Alahady. Somary sahiran-tsaina izykanefa faly nandray anay ary nanasa ny fianakaviany mihitsy izyhiaraka aminy. Naneho ny fitiavany an’ ilay fianakaviana nyeveka sy ny faniriany hanampy azy ireo ho tonga fianakavianamandrakizay amin’ ny alalan’ ny famehezana any amin’ ny

A D R I Á N O C H O A

115

Page 122: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

tempoly. Tohina ny fon’ izy ireo, ary afaka nahatsapa nyfanatrehan’ ny Fanahy Masina tamin’ ny fomba mahery vaikaizahay izay nitarika ny teny rehetra sy ny fihetseham-po rehetra.

Saingy ny tenin’ i Thabiso no tena nampiavaka ilayfitsidihana. Raha ny fahitako azy dia niteny tamin’ ny fitenin’ nyanjely ity mpisorona tanora ity—teny feno fitiavana izay tenatakatsika rehetra fa indrindra indrindra tena nahakasika ny fon’ity namany izany. “Tena tiako tokoa ny niresaka taminao foanatany am-piangonana,” hoy izy. “Miteny zavatra tsara ho ahyfoana ianao. Ary moa ve fantatrao fa mitsipozipozy ny ekipampanao baolina ao amintsika rehefa tsy nisy anao intsony. Ianaomantsy no tena mahay milalao baolina.”

“Tena miala tsiny aho,” hoy ny navalin’ i Tebello. “Hiverinahiaraka aminareo aho ry zalahy.”

“Tena mahafinaritra izany” hoy i Thabiso. “Ary tsaroanao veisika ilay manao fiomanana mba ho misiônera? Afaka manaoizany indray ve isika?”

“Eny,” hoy ny navalin’ i Tebello, “Te-hiverina aho.”Angamba ny hafaliana lehibe indrindra izay niainako tamin’

ny naha-mpanolotsaina ahy ato amin’ ny fiadidian’ nyZatovolahy maneran-tany dia ny mahita ny mpihazonaFisoronana Aharôna manerana izao tontolo izao mampihatra nyherin’ ny Fisoronana Aharôna. Kanefa indraindray koa ahomanatri-maso amin’ ny fo feno alahelo hoe zatovolahy firifiry notsy mahatakatra ny zavatra tsara azon’ izy ireo atao amin’ nyhery izay hazonin’ izy ireo.

Ny fisoronana dia hery sy fahefan’ Andriamanitra izayampiasaina hanompoana ny zanany. Raha izao mantsy no mbaafaka mahatakatra daholo ny zatovolahy rehetra, ny mpihazonany Fisoronana Aharôna rehetra, fa ny fisoronany dia mihazonany fanalahidin’ ny fanompoan’ ny anjely. Raha izao mantsy izyireo no mba afaka mahatakatra fa manana adidy masinahanampy ny namany hahita ny lalana mitondra mankany amin’ny Mpamonjy. Raha mba fantany mantsy fa ny Ray any an-danitra dia hanome azy ireo hery hanazavana ny fahamarinan’ny filazantsara naverina tamin’ ny laoniny amin’ ny fomba tenamazava sy tsotra ka dia hahatsapa amin’ ny fomba tsy azo lavinany fahamarinan’ ny tenin’ i Kristy ny hafa.

F I V O R I A M B E N ’ N Y F I S O R O N A N A

116

Page 123: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Ry zatovolahy malalan’ ny Fiangonana, hanontany anareofanontaniana iray aho izay antenaiko fa ho entinareo ao am-ponareo mandritra ny fiainanareo. Hery lehibe kokoa manaoahoana no mety ho azonareo eto an-tany noho ny fisoronan’Andriamanitra? Hery lehibe manao ahoana no mety ho lehibekokoa noho ny fahafahana manampy ny Raintsika any an-danitramanova ny fiainan’ ireo namantsika, manampy azy ireo eo amin’ilay lalana mankany amin’ ny fahasambarana mandrakizay amin’ny alalan’ ny fahadiovana amin’ ny fahotana sy ny tsy metynatao?

Tahaka ireo hery hafa, ny fisoronana dia ilaina ampiasainamba hanatontosana zavatra tsara. Ianareo dia nantsoina mba“hitsangana ary hamirapirat[ra]” (F&F 115:5), fa tsy hanafina nyfahazavanareo anaty haizina. Ireo izay be herimpo ihany no hoisaina ho isan’ izay voafidy. Rehefa mampihatra ny herin’ nyfisoronana masina ianao, dia hitombo ny herimponao sy nyfahatokianao. Ry zatovolahy, fantatrareo fa manao ny zavatratsara indrindra ianareo rehefa ao anatin’ ny fanompoana an’Andriamanitra. Fantatrareo fa tena faly ianareo rehefa mirotsakaamim-pientanentanana ao anatin’ ny asa tsara iray. Andriano nyherin’ ny fisoronanareo amin’ ny alalan’ ny fahadiovanareo syfahamendrehanareo.

Miray feo amin’ ny antso nataon’ ny Loholona Jeffrey R.Holland aho izay nataony taminareo enim-bolana lasa izay tetoamin’ ity polpitra ity. “Izaho dia miandrandra,” hoy izy, “lehilahytanora sy lehibe izay manome lanja ity ady ifanaovan’ ny tsara syny ratsy ity hirotsaka amin’ izany sy hanandratra ny feony. Aoanatin’ ny ady isika.” Dia notohizany hoe, “. . . Mangataka feomatanjaka sy feno fanoloran-tena bebe kokoa aho, feo tsy hoehanohitra fotsiny ny ratsy . . . , fa feo ho an’ ny tsara, feo ho an’ny filazantsara, feo ho an’ Andriamanitra” (“Mandray anjaraAvokoa Isika Rehetra,” Liahona, Nôv. 2011, 44, 47).

Eny ry mpihazona ny Fisoronana Aharôna, ao anatin’ ny adyisika. Ary ao anatin’ izany ady izany, ny fomba tsara indrindrahiarovan-tena amin’ ny ratsy dia ny fanatanterahana amim-pahavitrihana ny fahamarinana. Tsy afaka ny hihaino ireo tenyratsy ianao dia hanao toy ny tsy mandre izany. Tsy afaka nyhijery, irery na miaraka amin’ ny hafa sary mamoafady ianao dia

A D R I Á N O C H O A

117

Page 124: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

hanao toy ny tsy mahita izany. Tsy afaka ny hikasika zavatra tsymadio ianao dia hody hanao hoe tsy misy voka-dratsiny izany.Tsy tokony hiraviravy tanana ianao rehefa mikatsaka nyhanapotika izay zavatra mahasoa sy madio i Satana. Fa mijoroakosa amim-pahasahiana amin’ ny zavatra fantatrao fa marina!Rehefa mahita na mandre zavatra mifanohitra amin’ ny fitsipikyny Tompo ianao, dia tsarovy hoe iza moa ianao—miaramilan’ nytafik’ Andriamanitra, manana ny herin’ ny fisoronany masina.Tsy misy fitaovam-piadiana tsara kokoa hanoherana ny fahavalo,ilay rain’ ny lainga, noho ny fahamarinana izay hivoaka nyvavanao rehefa mampiasa ny herin’ ny fisoronana ianao. Nyankamaroan’ ireo namanao dia hanaja anao noho ny herimponaosy ny fahamarinan-toetranao. Ny sasany anefa tsy hanao izany.Kanefa tsy mampaninona izany. Hahazo fanajana sy fahatokianaavy amin’ ny Ray any an-danitra ianao satria nampiasainao nyheriny hanatanterahana ny tanjony.

Miantso indray ny fiadidian’ ny kôlejin’ ny FisoronanaAharôna rehetra aho mba hanangana indray ny fanevan’ nyfahafahana ary handamina sy hitarika ireo tafikareo. Ampiasaony herin’ ny fisoronanareo mba hanasana ireo manodidinaanareo hanatona an’ i Kristy amin’ ny alalan’ ny fibebahana sybatisa. Manana ny fahefana sy ny herin’ ny Ray any an-danitraianao hanao izany.

Roa taona lasa izay raha nitsidika an’ i Santiago, Chilie aho,dia tena talanjona tamin’ i Daniel Olate, zatovolahy izay matetikamiaraka amin’ ny misiônera. Nangataka azy aho mba hanoratraho ahy, ary rehefa nahazo lalana taminy aho dia hovakiakoaminareo ny ampahany tamin’ ny e-mail nalefany: “Feno 16taona aho, ary tamin’ ny Alahady aho no notendrena tao amin’ny anjara fanompoan’ ny mpisorona. Tamin’ io andro io ihanyaho dia nanao batisa namana iray. Ny anarany dia Carolina.Nampianatra azy ny filazantsara aho, ary nanatrika tsy tapaka nyfiangonana izy ary efa nandray ny mari-boninahitry ny Fivoaran’ny Tena Manokana aza izy, kanefa tsy navelan’ ireo ray aman-dreniny natao batisa izy mandrapahafantatr’ izy ireo ahy symandrapananan’ izy ireo fahatokiana tamiko. Tiany nyhanaovako batisa azy, ka tsy maintsy niandry iray volana izahaymandrapahatongan’ ilay Alahady, izay naha-16 taona ahy. Tena

F I V O R I A M B E N ’ N Y F I S O R O N A N A

118

Page 125: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

nahatsapa zavatra tsara aho noho ny fanampiako olona tena tsaratoy izany mba hatao batisa, ary faly aho fa izaho no nanao nybatisany.”

I Daniel dia iray amin’ ireo zatovolahy maro be maneranaizao tontolo izao izay mampiasa araka ny tokony ho izy ilayherin’ Andriamanitra izay nomeny azy ireo. Ny anankiray hafadia i Luis Fernando, avy any Honduras, izay nahatsikaritra fanandeha tamin’ ny lalana mampidi-doza ny namany ary nizarany fijoroany ho vavolombelona taminy izy, izay nanavotra ara-bakiteny ny fiainany (jereo ny “A Change of Heart,” lds.org/youth/video). I Olavo, avy any Brésil, dia ohatra iray hafa. Amin’ny maha-mpanompo maharitra marina azy ao an-tokantranony(jereo ny F&F 84:111), dia nanentana ny fanahin’ ny reninyhiverina havitrika ao am-piangonana i Olavo (jereo ny “Reunitedby Faith,” lds.org/youth/video). Afaka mahita ny sasany amin’ireo tantara ireo sy maro hafa mitovitovy amin’ izany ianao aoamin’ ny tranonkalan’ ny Fiangonana ho an’ ny tanora,youth.lds.org. Ankoatra izany, ny Internet, ny fifaneraseranaamin’ ny alalan’ ny fampitam-baovao ary ireo teknôlôjia hafa diafitaovana izay napetraky ny Tompo eo am-pelantananareo mbahanampy anareo hampihatra ny adidinareo ao amin’ nyfisoronana ary hampiely ny fitaoman’ ny fahamarinana sy nyhatsaran-toetra.

Ry zatovolahy malala, rehefa mampihatra ny FisoronanaAharôna amin’ ny fomba izay nofaritako teo ianareo, diamiomana amin’ ny andraikitra izay ho atrehinareo amin’ nyhoavy. Kanefa manao zavatra mihoatra lavitra noho izanyianareo. Tahaka an’ i Jaona Mpanao batisa, ilay mpihazona nyFisoronana Aharôna tsara alaina tahaka, dia manomana ny lalan’ny Tompo ihany koa ianareo ary manitsy ny lalan-kalehany.Rehefa manambara amim-pahasahiana ny filazantsaran’ nyfibebahana sy ny batisa ianareo, tahaka ny nataon’ i Jaona, diamanomana ny olona amin’ ny fiavian’ ny Tompo (jereo ny Matio3:3; F&F 65:1–3; 84:26–28). Matetika ianareo no lazaina fa mananahery anaty lehibe. Ankehitriny no fotoana hampiasana izany heryizany, hampiasana ireo fahaiza-manao izay nomen’Andriamanitra anareo mba hitahiana ny hafa, ary hamoahana

A D R I Á N O C H O A

119

Page 126: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

azy ireo avy ao amin’ ny haizina ho any amin’ny hazavana aryhanomana ny lalan’ ny Tompo.

Nomen’ ny Fiangonana ny bokikely Adidy amin’Andriamanitra ianareo ho loharano hanampy anareo hianatra syhanatontosa ny andraikitrareo. Halalino matetika izany.Mandohaliha ianareo, lavitra an’ ireo teknôlôjia, ary katsaho nyfitarihan’ ny Tompo. Ary dia mitsangàna ary ampiasao ny herin’Andriamanitra. Mampanantena anareo aho fa handray valinyavy amin’ ny Ray any an-danitra ianareo mikasika ny fombahitondranareo ny fiainanareo sy hanampiana ny hafa.

Hindramiko ny tenin’ ny Filoha Thomas S. Monson hoe: “Azaataonareo ambanin-javatra ny hery mitaona lavitra ananan’ nyfijoroanareo ho vavolombelona. . . . Manana ny fahafahana hahitany tsy hitan’ ny olona ianareo. Rehefa manana maso hijerena,sofina handrenesana, ary fo hahatsapana ianareo, dia afakamanampy sy mamonjy ny hafa” (“Be Thou an Example,” Liahona,Mey 2005, 115).

Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa tena misy nyherin’ ny fisoronana. Nahazo ny fijoroako ho vavolombelona ahotamin’ ny alalan’ ny fampiasaiko ny fisoronako. Efa nahitafahagagana maro niseho aho izay notanterahin’ ireo manana nyherin’ ny Fisoronana Aharôna. Efa vavolombelon’ ny herin’ nyfanompoan’ ny anjely aho rehefa nanambara tenin’ nyfanantenana avy amin’ ny Fanahy ireo mpihazona ny FisoronanaAharôna mahatoky, ka nanokatra ny fon’ ny olona iray milafahazavana sy fitiavana. Amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy,Tompontsika, sy mpitarika antsika ary Mpamonjy antsika,amena.

F I V O R I A M B E N ’ N Y F I S O R O N A N A

120

Page 127: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Ny Tanjon’ny Asafanompoana ao amin’ nyFisoronanaNataon’ ny Filoha Dieter F. UchtdorfMpanolotsaina Faharoa ao amin’ ny Fiadidian’ ny Voalohany

Ny fahatakarana ny tanjon’ ny filazantsara sy nytanjon’ ny fisoronana dia hanampy antsika hahita nytanjona masin’ izany rehetra izany.

Ankafiziko tokoa ity fiarahana mahafinaritra aminareo ity ryrahalahy ato amin’ ny fisoronana ary faly toa anareo koa ahoamin’ ny hakanto sy hatsaran’ ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy.Midera anareo aho noho ny finoanareo, sy ny asa tsara vitanareoary ny fandalanareo ny fahamarinana.

Misy rohim-pifandraisana izay mampifamatotra antsikasatria samy nandray ny fanendrena amin’ ny fisoronan’Andriamanitra avy tamin’ ireo izay nitokisana isika ka nomenany fahefana sy herin’ ny fisoronana masina. Tsy fitahiana kelyizany akory. Andraikitra masina izany.

Ny Herin’ ny TanjonaVao tsy ela aho no nisaintsaina mikasika ny antso manan-

danja roa izay noraisiko tamin’ ny naha-mpihazona ny fisoronanaahy tato amin’ ny Fiangonana.

Ny voalohany tamin’ ireo dia azoko fony aho diakona.Nivavaka niaraka tamin’ ny fianakaviako tany amin’ ny sampan’ny Fiangonana tany Francfort, Allemagne aho. Nananampikambana mahafinaritra maro tao izahay tao amin’ ilaysampana kely nisy anay. Iray amin’ izy ireo ny filohan’ nysampanay, Rahalahy Landschulz. Tena nankafiziko izy, na dia toa

D I E T E R F . U C H T D O R F

121

Page 128: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

hentitra lava sy manara-dalàna foana aza izy ary ny ankamaroan’ny fotoana dia manao palitao matroka izay hatrany. Tsaroakoizaho nisangisangy tamin’ ireo zatovolahy namako niteny hoetena nilazaon’ ny toetrandro ny filohan’ ny sampantsika.

Mampihomehy ahy ny mieritreritra izany ankehitriny satriaireo tanoran’ ny Fiangonana amin’ izao andro izao koa dia metytena mihevitra ahy ho toy izany koa.

Indray Alahady dia nangataka hiresaka tamiko ny FilohaLandschulz. Ny tonga tao an-tsaiko voalohany dia hoe: “Fa inonano hadisoana nataoko?” Niezaka nitadidy ireo zavatra maromety ho nataoko aho izay nahatonga izao fitadiavan’ ilay filohan’ny sampana hiresaka amin’ ny diakony izao.

Nanasa ahy hiditra ao amin’ ny efitrano fianarana kely irayny Filoha Landschulz—satria tsy mba nanana birao ho an’ nyfilohan’ ny sampana ny trano fiangonanay—ary tao nonandrosoany ahy antso mba ho filohan’ ny kôlejin’ ny diakona.

“Antso manan-danja izany,” hoy izy, ary avy eo dia nakafotoana izy ary namariparitra ny maha manan-danja izany.Nanazava ny zavatra handrasan’ izy sy ny Tompo amiko izy aryny fomba ahafahako mahazo fanampiana.

Tsy tsaroako ny ankamaroan’ ny zavatra nolazainy kanefatsaroako tsara kosa ny zavatra tsapako. Nanenika ny foko ilayFanahy izay masina sy avy any an-danitra rehefa niresaka izy.Afaka nahatsapa aho fa Fiangonan’ ny Mpamonjy ity. Arytsapako fa ilay antso izay naroso ho ahy dia nentanin’ ny FanahyMasina. Tadidiko aho nahatsapa ho niakatra amin’ ny toeranasomary avoavo kokoa noho ny teo aloha rehefa nivoaka izanyefitrano kely izany.

Efa ho 60 taona izay no lasa fa mbola ankamamiako hatranyireo fahatsapana fahatokiana sy fitiavana ireo.

Rehefa niverina nieritreritra izany zavatra niainako izany ahodia niezaka nitadidy ny isan’ ny diakona tamin’ izany fotoanaizany tao amin’ ilay sampanay aho. Raha tsara ny fitadidiako diamety ho roa angamba. Nefa mety ho manita-javatra aho rahamilaza izany.

Kanefa tsy nampaninona na hoe iray ny diakona na hoe roaambin’ ny folo. Nahatsapa ho henin-kaja aho ary te-hanompo

F I V O R I A M B E N ’ N Y F I S O R O N A N A

122

Page 129: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

araka izay tsara indrindra vitako sy tsy te-handiso fanantenanany filohan’ ny sampako na ny Tompo.

Tsapako ankehitriny fa afaka nanome izany antso izanytamin’ ny fomba tsotra ilay filohan’ ny sampana raha niantso ahytamin’ izany toerana izany izy. Afaka nilaza tamiko teny an-dalantsara izy na nilaza izany avy hatrany nandritra ny fivorian’ny fisoronana hoe izaho no filohan’ ny kôlejin’ ny diakonavaovao.

Kanefa dia naka fotoana hihaonana tamiko izy ary nanampyahy hahatakatra tsy ny zavatra takiana fotsiny amin’ izanyandraikitro sy adidiko vaovao izany, fa ny tena manan-danjaindrindra dia ny tanjon’ izany.

Zavatra izay tsy ho hadinoiko velively izany.Ny tiako hiaviana amin’ izany tantara izany dia tsy ny

hamariparitra fotsiny ny fomba fandrosoana antso ato am-piangonana (na dia lesona tena tsara aza izany mikasika nyfomba mahomby hanaovana izany). Fa ohatra ho ahy mikasikany hery mamporisika ananan’ ny mpitarika ao amin’ nyfisoronana izany izay manainga ny fanahy ary mitaona hanaoasa.

Mila ampahatsiahivina tsy tapaka antsika ny antonymandrakizay ao ambadiky ny hanaovana ireo zavatra izayandidiana antsika. Ilaina ho tafiditra ho ampahan’ ny zavatramanorina ny fiainantsika ireo fitsipika fototry ny filazantsara, enyfa na dia midika aza izany fa mila mamerimberina mianatra azyireo. Tsy midika akory izany hoe tokony ho lasa fahazaranafotsiny na zavatra hankaleo ilay dingana arahana. Fa rehefamampianatra ireo fitsipika fototra ao an-tokantranontsika na atoam-piangonana isika dia avelao hitondra hazavana sy hafananaary fifaliana ao am-pon’ ireo izay ampianarintsika ny lelafon’ nyfientanentanana ho an’ ny filazantsara sy ny afon’ ny fijoroana hovavolombelona.

Manomboka hatramin’ ny diakona vao avy notendrena kahatrany amin’ ny mpisorona avo zokiny indrindra no hilazako famanana ny lisitr’ ireo zavatra izay azontsika atao ary tokonyhataontsika isika eo anatrehan’ ireo andraikitra ao amin’ nyfisoronana. Zava-dehibe ireo zavatra atao ao anatin’ ny asantsika,ary mila manao azy ireo isika. Kanefa ao amin’ ireo tanjon’ ny asa

D I E T E R F . U C H T D O R F

123

Page 130: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

fanompoana ao amin’ ny fisoronana no ahitantsika nyfahavitrihana, ny fitiavana ary ny herin’ ny fisoronana.

Ny zavatra atao ao amin’ ny asa fanompoana ao amin’ nyfisoronana dia mampianatra antsika izay tokony hatao. Nytanjony dia mitaona fanahy ny fanahintsika.

Ny zavatra atao dia mampahafantatra, fa ny tanjony kosa diamanova.

Ny Fahamaroan’ ny Zavatra “Tsara” AtaoNy antso hafa ao amin’ ny fisoronana nosaintsainiko dia

noraisiko taona maro taty aoriana rehefa nanana ny ankohonakomanokana aho. Niverina nipetraka tany Francfort, Allemagneizahay ary vao nahazo fisondrontan-toerana tao am-piasana ahoizay nitaky fotoana sy asa be avy amiko. Nandritra izany fotoananaha sahirana ahy teo amin’ ny fiainako izany no niantsoin’ nyLoholona Joseph B. Wirthlin ahy ho filohan’ ny tsatòka.

Nandritra ny tafa sy dinika nifanaovako taminy dia zavatramaro no nandalo tato an-tsaiko, ary indrindra moa ny ahiahiko famety tsy hanana fotoana izay takian’ ity antso ity aho. Na dianampanetry tena ahy azy izany antso izany ary voninahitra hoahy dia nanontany tena vetivety aho hoe hanaiky izany ve aho satsia. Kanefa eritreritra kely nandalo fotsiny izany satria fantatrofa ny Loholona Wirthlin dia voatson’ Andriamanitra ary nanaony asan’ ny Tompo izy. Ka tsy nisy azoko natao afa-tsy nynanaiky?

Misy fotoana izay tsy maintsy hirotsahantsika ao anatin’ nyhaizina amim-pinoana, ary manana fahatokiana fa hametrakatany mafy orina eo ambanin’ ny tongontsika Andriamanitrarehefa manao izany isika. Ka dia nanaiky tamim-pifaliana izanyantso izany aho ary nahafantatra fa hanampy ahy Andriamanitra.

Tamin’ ny fotoana niantombohan’ izany antso izany diananana fahafahana manokana izahay tamin’ ny naha-tsatòkaanay nandray fiofanana avy tamin’ ireo mpampianatra sympitarika lehibe sasantsasany ato am-piangonana—tonga tanyamin’ ny faritra nisy anay ny lehilahy toa an-dry LoholonaRussell M. Nelson sy ny Filoha Thomas S. Monson. Toy ny andoavy any an-danitra ny fampianaran’ izy ireo ary nanainga fanahyanay tokoa. Mbola ananako ao ireo fanamarihana noraisikonandritra ireo fivoriam-piofanana ireo. Nanome anay ny

F I V O R I A M B E N ’ N Y F I S O R O N A N A

124

Page 131: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

fahatakarana ny dikan’ izany hoe manorina ny fanjakan’Andriamanitra izany ireo Rahalahy ireo amin’ ny alalan’ nyfanorenana ny fijoroana ho vavolombelon’ ny tena manokana syny fanamafisana orina ny fianakaviana. Nanampy anay izy ireohahita ny fomba ampiharana ny fahamarinana sy ny fitsipiky nyfilazantsara teo amin’ ireo toe-javatra niainanay manokana sy hoan’ ny fotoana iainanay manokana. Raha lazaina amin’ ny fombahafa dia hoe nanampy anay hahita ny tanjon’ ny filazantsara ireompitarika nentanim-panahy, ary dia nila namoritra ny tanan’akanjonay izahay ary nandeha nanao ny asa.

Tsy ela dia tsapanay fa maro ireo zavatra tsara azon’ nyfiadidian’ ny tsatòka atao—maro tokoa, raha ny marina, ka rahatsy nametraka laharam-pahamehana nentanim-panahy izahaydia mety tsy ho nahavita ireo izay nanan-danja. Nanombokanifanitsaka ireo laharam-pahamehana ka namily ny fifantohanayhiala tamin’ ireo vina nozarain’ ireo Rahalahy taminay. Marotokoa ny zavatra “tsara” tokony hatao, fa tsy samy tena manan-danja avokoa akory izy rehetra.

Nianatra lesona manan-danja izahay: ny fahatsaran’ nyzavatra iray dia tsy antony ampy handaniana ny fotoana sy nyloharano anananay hanaovana izany. Ny zavatra ataontsika sy nyzavatra santarintsika ary ny drafitra ataontsika dia tokony hovoaentana sy mifototra amin’ ny tanjon’ ny asa fanompoantsikaao amin’ ny fisoronana fa tsy amin’ ny zavatra ironan’ ny rehetraizay manaitra ny maso na zavatra mahaliana amin’ izao fotoanaizao. Raha tsy izany dia lasa bantsembana ny ezaka ataontsikaizy ireo na mampihena ny herintsika ary mamandrika nytenantsika ao anatin’ ny fanaovana izay zavatra mahalianaantsika manokana, na ara-panahy na ara-batana, izay tsy tenaivon’ ny maha-mpanara-dia.

Ry rahalahy, samy mahafantatra isika rehetra fa mitakyfifehezan-tena ny fifantohana hatrany amin’ ireo zavatra izaymanana ny hery tena lehibe hampitomboana ny fitiavantsika an’Andriamanitra sy ireo mpiara-belona amintsika, hampatanjahanany fanambadiana, hanamafisana orina ireo fianakaviana aryhanorenana ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany. Tahaka nyhazo fihinam-boa iray izay misy sampana maro sy rakotraravinkazo maro ny fiainantsika, ka ilaina rantsanana matetitetika

D I E T E R F . U C H T D O R F

125

Page 132: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

mba hahafahantsika mampiasa ny herintsika sy ny fotoanantsikahanatontosana ilay tena tanjontsika—“hamokatra voa tsara”!1

Tsy Irery IanaoKa ahoana ary no ahafantarantsika hoe inona no tokony ho

safidiana? Samy manana andraikitra isika tsirairay hamariparitraizany ho an’ ny tenantsika. Kanefa, nodidiana isika mbahandalina amim-pahazotoana ny soratra masina, hihaino nytenin’ ireo mpaminany ary hanao izany ao anatin’ ny vavaka fenofinoana, sy fahamatorana ary fanoloran-tena arahim-bavaka.

Ry rahalahy, mahatoky Andriamanitra. Amin’ ny alalan’ nyFanahy Masina no hiresahany ao amin’ ny saintsika sy nyfontsika mikasika izay lalana tokony harahintsika isaky nydingana tsirairay eo amin’ ny fiainantsika.

Raha madio ny fontsika—raha tsy mikatsaka ny voninahitraho an’ ny tenantsika isika fa ny voninahitr’ AndriamanitraTsitoha, ary raha mikatsaka hanao ny Sitrapony isika, rahamaniry ny hitahy ny fiainan’ ny fianakaviantsika isika sy ny an’ireo mpiara-belona—dia tsy handeha irery velively.Nampahatsiahy matetika antsika ny Filoha Monson hoe: “Rehefamanompo ny Tompo isika dia mendrika ny hahazo nyfanampiany.”2

“Handeha eo alohanareo [ny Rainareo any an-danitra.] Ho eoankavananareo sy eo ankavianareo [Izy], ary ho ao am-ponareony Fanahi[ny], ary hanodidina anareo ny anjeli[ny] mbahanohana anareo.”3

Ny Herin’ ny Fanaovana AsaRy rahalahiko malala, ireo fitahiana masina avy amin’ ny asa

fanompoana ao amin’ ny fisoronana dia tonga amin’ ny alalan’ny ezaka am-pahavitrihana ataontsika, ny finiavantsika hahafoytena, ary ny faniriantsika hanao izay tsara. Andeha isika mba hoanisan’ ireo izay mihetsika fa tsy ireo izay hetsehina. Tsara nymitory kanefa raha toriteny tsy mitondra amin’ ny asa dia toy nyafo tsy manan-kafanana na rano tsy mahafaka hetaheta.

Amin’ ny alalan’ ny fampiharana ny fotopampianarana nohampitombo ny fahavitrihantsika hiaina ny filazantsara aryhameloman’ ny herin’ ny fisoronana ny fanahintsika.

F I V O R I A M B E N ’ N Y F I S O R O N A N A

126

Page 133: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

I Thomas Edison, ilay lehilahy namorona ny takamoa tetoamin’ izao tontolo izao dia nilaza fa “ny lanjan’ ny hevitra iraydia mifototra amin’ ny fampiasana izany.”4 Toy izany koa, lasasarobidy kokoa ny fotopampianaran’ ny filazantsara rehefaampiharina.

Tsy tokony havelantsika hatory fotsiny ao am-pontsika sy tsyho ampiharina eo amin’ ny fiainantsika ireo fotopampianaran’ nyfisoronana. Raha misy fanambadiana na fianakaviana milafanavotana—mety hoe ny antsika aza izany—dia tsy tokonyhiraviravy tanana isika. Fa andeha kosa isika hisaotra an’Andriamanitra noho ny drafitry ny fahasambarana izay ahitanany finoana ny fibebahana, ny famelan-keloka ary fiantombohanavaovao. Ny fampiharana ny fotopampianaran’ ny fisoronana diahahatonga antsika ho mendrika ny ho vady, sy ray aryzanakalahy izay mahatakatra ny tanjon’ ny fisoronana sy nyheriny mba hananana indray sy hiarovana ny hatsarana sy nyfahamasinan’ ny fianakaviana maharitra mandrakizay.

Ny fihaonamben’ ny Fiangonana dia fotoana tsara hatranysady hihainoana no hanaovana asa. Koa andeha isika “hompankato ny teny, fa [tsy ho] mpihaino fotsiny ihany.”5 Ryrahalahy, manasa anareo aho hisaintsaina tsara ireo tenin’ nympanompon’ Andriamanitra mandritra ity faran’ ny herinandroity. Avy eo dia mandoaliha. Angataho ny Raintsika any An-danitra mba hanazava ny sainareo sy hikasika ny fonareo.Mangataha fitarihana avy amin’ Andriamanitra eo amin’ nyfiainanareo andavanandro, eo amin’ ny andraikitrareo ato am-piangonana, ary eo anatrehan’ ireo fanambin’ ny fiainanareoamin’ izao fotoana izao. Araho ny bitsiky ny Fanahy—azamangataka andro. Raha manao ireo rehetra ireo ianareo diamampanantena aho fa tsy hamela anareo handeha irery nyTompo.

Mananà Faharetana HatranyFantatray fa na dia eo aza ny faniriana tsara ao aminareo dia

tsy voatery hizotra araky ny lamina ny zava-drehetra. Manaohadisoana isika eo amin’ ny fiainana sy eo amin’ ny asafanompoana ataontsika ao amin’ ny fisoronana. Matetika no lavosy maneho fahalemena isika.

D I E T E R F . U C H T D O R F

127

Page 134: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Rehefa nanoro hevitra antsika mba “[h]itozo ao amin’ nyfaharetana mandra-pahatonga anareo ho tanteraka”6 ny Tompodia fantany fa mitaky fotoana sy faharetana izany. Nyfahatakarana ny tanjon’ ny filazantsara sy ny tanjon’ nyfisoronana dia hanampy antsika hahita ny tanjona masin’ izanyrehetra izany. Hanome famporisihana sy hery antsika hanaovanany zavatra tsara izany, eny fa na dia sarotra aza. Ny fifantohanahatrany ao amin’ ny fitsipika fototry ny fiainana ny filazantsaradia hanome antsika fahazavana, fahendrena ary fitarihana.

“Tsy hitozo ao amin’ ity tanjona lehibe tokoa ity va isika?”7

Eny, ry rahalahy, hitozo!Hianatra avy amin’ ireo hadisoantsika isika rehefa eo ambany

fitarihan’ ny Fanahy Masina. Raha lavo isika dia hitsanganaindray. Raha manao hadisoana dia hanohy hiroso foana. Tsyhitoditodika mihitsy isika ary tsy hilavo lefona velively.

Amin’ ny maha-mpirahalahy matanjaka antsika ao amin’ ityfisoronana mandrakizain’ Andriamanitra ity dia hiara-hijoroisika, ho soroka miara-milanja, hifantoka amim-panoloran-tenasy amim-pitiavana amin’ ireo fitsipika fototry ny filazantsaran’ iJesoa Kristy izay naverina tamin’ ny laoniny ary hanompo nyAndriamanintsika sy ireo mpiara-belona.

Velona Andriamanitra!Ry rahalahiko malala, mijoro ho vavolombelona aho

androany fa velona Andriamanitra Ray sy ny Zanakalahiny, iJesoa Kristy. Tena misy Izy ireo! Eo ry zareo!

Tsy irery ianao. Miahy ny momba anao ny Rainao any an-danitra ary maniry ny hitahy sy hanohana anao ao anatin’ nyfahamarinana.

Aoka ianao hanana antoka fa miresaka amin’ ny zanak’olombelona Andriamanitra amin’ izao fotoana iainantsika izao.Hiresaka aminao Izy!

Nahita ny zavatra nolazainy fa hitany ny Mpaminany JosephSmith. Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ nyAndro Farany dia naverina eto an-tany tamin’ ny alalan’ ny herysy fahefan’ ilay Andriamanitra Tsitoha.

Ny vavaka ataoko dia ny mba hijanonantsika mpihazona nyfisoronany hirindra hatrany amin’ ny tanjon’ ny asa fanompoanaao amin’ ny fisoronana ary hampiasa ireo fitsipika fototry ny

F I V O R I A M B E N ’ N Y F I S O R O N A N A

128

Page 135: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

1.2.

3.

4.

5.6.

7.

filazantsara naverina tamin’ ny laoniny mba hanovana nyfiainantsika sy ny fiainan’ ireo izay tompointsika.

Rehefa manao izany isika, dia hanadio ny fanahintsika sy ireotoetra ananantsika ny hery tsy manam-petran’ nySorompanavotana mandrapahatonga antsika ho ilay lehilahymanana ireo toetra izay andrasana amintsika. Izany no ijoroakoho vavolombelona amin’ ny anarana masin’ i Jesoa Kristy, amena.

FanamarihanaMatio 7:18.Thomas S. Monson, “To Learn, toDo, to Be,” Liahona, Nôv. 2008, 62.Fotopampianarana syFanekempihavanana 84:88.Thomas Edison, ao amin’ ny LittleJourneys to the Homes of Good Men

and Great, Book 2 (1910), 155,nosoratan’ i Elbert Hubbard.Jakoba 1:22.Fotopampianarana syFanekempihavanana 67:13.Teachings of Presidents of the Church:Joseph Smith (2007), 11.

D I E T E R F . U C H T D O R F

129

Page 136: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Fianakaviana ao anatin’ nyFanekempihavananaNataon’ ny Filoha Henry B. EyringMpanolotsaina Voalohany ao amin’ ny Fiadidiana Voalohany

Tsy hisy zavatra hafa izay tonga na ho tonga eo amin’ny fianakavianao ka manan-danja mihoatra nyfitahian’ ny famehezana.

Tiako ny miaraka aminareo eto mandritra ity fivoriana ityizay nanasana ireo rehetra mpihazona ny fisoronan’Andriamanitra eto an-tany. Fitahiana ho antsika ny eo ambanyfiahian’ ny Filoha Thomas S. Monson. Amin’ ny maha-Filohan’ny Fiangonana azy dia izy no lehilahy velona tompon’andraikitra amin’ ireo fanalahidy izay mamehy ireo fianakavianaary ireo ôrdônansin’ ny fisoronana rehetra ilaina mba hahazoanany fiainana mandrakizay, izay fanomezana lehibe indrindraamin’ ny fanomezan’ Andriamanitra rehetra.

Misy raim-pianakaviana iray, izay niverina avy tamin’ nyfahalainany teo aloha, izay mihaino eto anio hariva satria te-hahazo toky amin’ ny fony manontolo amin’ izany fanomezanaavy amin’ ny famehezana izany izy. Tia ny zanany kely roa izy,lahy sy vavy kely ary ny vadiny. Toy ireo ray aman-dreny hafakoa dia afaka mahita mialoha ny fifaliana any an-danitra izyrehefa mamaky ireto teny ireto: “Ary ny fiaraha-miaina izay misyetoana eo anivontsika ihany no hisy eo amintsika any, saingyizany dia homban’ ny voninahitra mandrakizay, dia voninahitraizay tsy ananantsika ankehitriny.”1

Izany ray miara-mihaino amintsika eto izany diamahafantatra ny lalana mankany amin’ izany toeran-kalehalehibe izany. Tsy mora izany. Efa fantany izany. Nitaky finoanaan’ i Jesoa Kristy izany, fibebahana marina, ary fiovana tao am-

F I V O R I A M B E N ’ N Y F I S O R O N A N A

130

Page 137: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

pony izay azo avy tamin’ ny eveka tsara fanahy hahatsapa irayizay nanampy azy hahatsapa ny famelan-keloka feno fitiavan’ nyTompo.

Nitohy ihany ireo fiovana mahatalanjona teo aminy rehefaniditra ny tempoly masina ho an’ ny fanafiana masina izy izaynofaritan’ ny Tompo tamin’ ireo olona nomeny hery tao amin’ nytempoly voalohany tamin’ ity fotoam-pitantanana ity. TanyKirtland, Ohio izany. Toy izao no nolazain’ ny Tompo mikasikaizany:

“Koa, noho izany antony izany, dia nomeko anareo ny didyhandehananareo any Ohio; ary any no hanomezako anareo nylalàko; ary any no hanafiana anareo amin-kery avy any ambony;

“Avy amin’ io toerana io . . . manana asa lehibe efa miandryAho, fa ho voavonjy i Isiraely, ary hotarihiko izy ireo na aiza naaiza sitrako, ary tsy misy hery hahasakana ny tanako.”2

Ho an’ ilay namako vao nampahavitrihana tsy ela izay sy hoan’ ireo mpihazona ny fisoronana rehetra, dia misy asa lehibembola ho atao entina hanavotana ny ampahan’ i Isiraely, izayandraikitsika na ho andraikitsika, dia ny fianakaviantsika izany.Fantatr’ ilay namako sy ny fianakaviany fa mitaky nyfamehezana amin’ ny alalan’ ny fahefan’ ny FisoronanaMelkizedeka any amin’ ny tempoly masin’ Andriamanitra izany.

Nangataka ahy mba hanao izany famehezana izany izy. Tian’izy mivady hatao faran’ izay haingana izany. Kanefa noho nyfahafenoan’ ny fotoana amin’ ny fahatongavan’ ny fihaonamben’ny Fiangonana dia navelako hotapahin’ izy mivady miarakaamin’ ny evekany ny fakana fotoana amin’ ny mpitantsoratromba hahazoana daty mety hanaovana izany.

Akory ny hatairako sy ny hafaliako rehefa niteny tamiko tanyam-piangonana ilay ray fa ho atao ny 3 Aprily ilay famehezana.Tamin’ izany andro izany, tamin’ ny 1836 no nandefasana an’ iElia, izay mpaminany niakatra velona tany an-danitra, ho aoamin’ ny Tempolin’ i Kirtland mba hanome ny fahefan’ nyfamehezana an’ i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery. Eto anivon’ny Fiangonana ireo fanalahidy ireo ankehitriny ary ho etomandrapahatapitry ny fotoana.3

Izany dia mitovy amin’ ilay fanomezan-dalana avy any an-danitra nomen’ ny Tompo an’ i Petera rehefa nampanantena izy

H E N R Y B . E Y R I N G

131

Page 138: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

hoe: “Homeko anao ny fanalahidin’ ny fanjakan’ ny lanitra; ka nainona na inona fehezinao etỳ ambonin’ ny tany dia hofehezinaany an-danitra; ary na inona na inona vahanao etỳ ambonin’ nytany dia hovahana any an-danitra.”4

Nitahy ireo rehetra mpihazona ny fisoronana ny fiverenenan’i Elia. Nolazain’ ny Loholona Harold B. Lee mazava tsara izanyraha niteny izy nandritra ny fihaonamben’ ny Fiangonana, rehefanilaza ny teny nolazain’ ny Filoha Joseph Fielding Smith. Henoytsara ilay izy: “Mihazona ny fisoronana aho. Ianareo ry rahalahyizay manatrika eto dia mihazona ny fisoronana koa, arymihazona ny Fisoronana Melkizedeka isika—izay nohazonin’ iElia sy ireo mpaminany hafa ary i Petera, i Jakoba ary i Jaona.Kanefa na dia manana ny fahefana hanao batisa aza isika, na diamanana ny fahefana hametra-tanana ho amin’ ny fanomezana nyFanahy Masina sy hanendry ireo hafa ary hanao ireo zavatra hafarehetra ireo, dia tsy hahavita na inona na inona isika satria tsyhanan-kery ireo zavatra nataontsika raha tsy misy ny fahefan’ nyfamehezana.”

Notohizan’ ny Filoha Smith izany hoe:“Ny ôrdônansy ambonimbony, ireo fitahiana lehibe izay

zava-dehibe amin’ ny fisandratana ao amin’ ny fanjakan’Andriamanitra, izay any amin’ ny toerana mitokana nohahazoana azy, ary tsy misy olona manana ny zo hanatanterakaizany raha tsy efa nandray ny fahefana hanao izany avy amin’ nylehilahy izay mihazona ny fanalahidy rehetra. . . .

“. . . Tsy misy lehilahy eto ambonin’ ity tany ity izay mananany zo handeha sy hanatanteraka ôrdônansy ao amin’ nyfilazantsara raha tsy Filohan’ ny Fiangonana izy, izay mihazonaireo fanalahidy, ary manome lalana ho amin’ izany. Nomenyantsika ny fahefana. Nanolotra ny fahefan’ ny famehezana eoamin’ ny fisoronantsika izy satria izy no mihazona ireofanalahidy.”5

Izany fanomezan-toky izany dia nolazain’ ny Filoha Boyd K.Packer koa rehefa nanoratra mikasika ny fahefan’ ny famehezanaizy. Ny fahafantarana fa marina ireo teny ireo dia mankahery ahy,hankahery koa an’ ilay fianakaviana izay hofeheziko amin’ ny 3Aprily: “Nihazona ireo fanalahidy ireo i Petera. Nihazona nyfahefan’ ny famehezana izay hamehezana etỳ ambonin’ ny tany i

F I V O R I A M B E N ’ N Y F I S O R O N A N A

132

Page 139: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Petera, . . . mba hamehezana any an-danitra na hamahana etỳambonin’ ny tany ka dia ho toy izany koa any an-danitra.Hazonin’ ny Filohan’ ny Fiangonana ireo fanalahidy ireo—izaympaminany, mpahita ary mpanambara. Izany fahefan’ nyfamehezana masina izany dia eto anivon’ ny Fiangonanaankehitriny. Tsy misy zavatra hafa raisina ho toy ny masinakokoa noho izany ho an’ ireo izay mahafantantra ny lanjan’ izanyfahefana izany. Tsy misy zavatra hafa tokony ho arovana nohoizany. Vitsy ireo lehilahy izay mihazona ity fahefan’ nyfamehezana ity eto ambonin’ ny tany mandritra ny fotoanairay—isaky ny tempoly dia misy rahalahy izay nomena izanyfahefan’ ny famehezana izany. Tsy misy olona mahazo izany afa-tsy avy amin’ ny mpaminany, mpahita ary mpanambara syFilohan’ Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ nyAndro Farany.”6

Tamin’ ny fahatongavan’ i Elia dia tsy ny fahefana fotsiny nonatolotra fa ny fo koa dia nampitodihana: “Ny fanahy, fahefanaary antson’ i Elia dia, ny hananany ny fahefana hihazona nyfanalahidin’ ny fanambarana, ôrdônansy, fahitana, hery syfanafiana masina amin’ ny fahafenoan’ ny FisoronanaMelkizedeka sy ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany; aryhandraisany sy hahazoany ary hanatanterahany ireo ôrdônansyrehetra izay atao ato amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra,hatramin’ ny famerenana ny fon’ ireo ray hitodika amin’ nyzanaka ary ny fon’ ireo zanaka hitodika amin’ ny ray, na dia ireoizay efa any an-danitra aza.”7

Izany fahatsapana ny fitodihan’ ny fony izany dia efa tongateo amin’ ilay namako sy ny fianakaviany. Mety tonga eoaminareo mandritra ity fivoriana ity izany. Mety hitanareo tao an-tsainareo, tahaka ny nahitako azy, ny endriky ny rainareo na nyreninareo. Mety ho ny rahalahinareo na ny anabavinareo izany,na zanakavavy na lahy.

Mety any amin’ ny tontolon’ ny fanahy izy ireo na any amin’ny kaontinanta lavitra. Fa be ny fifaliana azo avy amin’ nyfahatsapana fa azo antoka ny fifandraisana amin’ izy ireo satriaianao dia voafehy na azo fehezina amin’ izy ireo amin’ ny alalan’ny ôrdônansin’ ny fisoronana izay ho eken’ Andriamanitra.

H E N R Y B . E Y R I N G

133

Page 140: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Efa nampianarina ny zavatra tsy maintsy ataony ireompihazona ny Fisoronana Melkizedeka izay ray ao anatin’ nyfianakaviana voafehy. Tsy hisy zavatra hafa izay tonga na hotonga eo amin’ ny fianakavianao ka manan-danja mihoatra nyfitahian’ ny famehezana. Tsy misy zavatra manan-danja mihoatrany fanajana ny fanekempihavanan’ ny fanambadiana sy nyfianakaviana izay nataonao na ho ataonao any amin’ nytempolin’ Andriamanitra.

Mazava ny fomba hanaovana izany. Ny Fanahy Masin’ nyFampanantenana, amin’ ny alalan’ ny fankatoavantsika sy nyfahafoizan-tenantsika, dia tsy maintsy hamehy nyfanekempihavanan’ ny tempoly izay nataontsika mbahahatanteraka izany any amin’ ny tontolo izay ho avy. Nanazavany dikan’ izany hoe fehezin’ ny Fanahy Masin’ nyFampanantenana izany ny Filoha Harold B. Lee, tamin’ nyfilazany ny teny nambaran’ ny Loholona Melvin J. Ballard hoe:“Afaka mamitaka ny olona isika fa tsy afaka mamitaka ny FanahyMasina, ary tsy ho mandrakizay ireo fitahiana voaraintsika rahatsy fehezina amin’ ny alalan’ ny Fanahy Masin’ nyfampanantenana. Ny Fanahy Masina dia ilay mamaky ny ao an-tsaina sy ny ao am-pon’ ny olona ary manome lalana amin’ nyfamehezana ireo fitahiana voalaza eo ambonin’ ny loha. Rehefaizany dia voafatotra, mihatra ary manan-kery tanteraka izanyfamehezana izany.”8

Rehefa nofehezina tao amin’ ny Tempolin’ i Logan Utahizaho sy Rahavavy Eyring dia tsy mbola takatro tamin’ izany nylanjany fenon’ izany fampanantenana izany. Mbola miezakamanakatra ny tena dikan’ izany aho, kanefa nanapa-kevitra izahosy ny vadiko nanomboka hatramin’ izay fanambadianay efa ho50 taona izay mba hanasa ny Fanahy Masina arak’ izay vitanayho eo amin’ ny fiainanay sy eo anivon’ ny fianakavianay.

Fony aho raim-pianakaviana mbola tanora, vao nofehezinatany amin’ ny tempoly sy nampitodika ny foko tamin’ ny vadikosy ny fianakaviako kely dia nihaona vao voalohany tamin’ nyFiloha Joseph Fielding Smith aho. Tao amin’ ilay efitrano filan-kevitry ny Fiadidiana Voalohany izay nanasana ahy nonahazoako fijoroana ho vavolombelona azo antoka rehefananontany ahy ny Filoha Harold B. Lee hoe, raha niresaka

F I V O R I A M B E N ’ N Y F I S O R O N A N A

134

Page 141: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

mikasika ny Filoha Smith, izay nipetraka teo akaikiko: “Moamino ve ianao fa ity lehilahy ity dia mpaminanin’Andriamanitra?”

Vao niditra ny efitrano ny Filoha Smith ary mbola tsy nitenyna inona na inona. Feno fankasitrahana mandrakizay aho faafaka namaly noho ny zavatra tsapako tao am-poko: “Fantatrohoe izany tokoa izy,” ary fantatro tamim-pananana antokatanteraka toy ny fahalalako fa ny masoandro dia mibaliaka fa izydia mihazona ny fahefan’ ny famehezana ao amin’ ny fisoronanaho an’ ny rehetra eto ambonin’ ny tany.

Izany zava-nitranga izany dia nampahery vaika ny tenin’ nyFiloha Smith teo amiko sy ny vadiko rehefa nanome izaotorolalana manaraka izao ny Filoha Joseph Fielding Smithnandritra ny fivorian’ ny fihaonambe tamin’ ny 6 Aprily 1972,nanao hoe: “Sitraky ny Tompo ny hanamafisana orina syhiarovana ny vondron’ ny fianakaviana. Miangavy ireo rayizahay mba haka ny toerana natokana ho azy amin’ ny maha-lohan’ ny tokantrano azy. Mangataka ireo reny izahay mbahanohana sy hanampy ny vadiny ary ho fahazavana eo amin’ireo zanany.”9

Mamelà ahy ianareo hanolotra zavatra efatra azonareo ataoamin’ ny maha-ray mihazona fisoronana anareo mbahanomezana hery ny fianakavianareo sy hitarihana azy hiverinahody indray mba hiaraka amin’ ny Ray any an-danitra sy nyMpamonjy.

Voalohany, ataovy izay hahazoana sy hihazonana fijoroanaho vavolombelona azo antoka fa ananantsika ireo fanalahidin’ nyfisoronana ary hazonin’ ny Filohan’ ny Fiangonana. Mivavahamahakasika izany isan’ andro. Ny valiny dia ho tonga miarakafitomboan’ ny faharisihana ny hitarika ny fianakavianareo, nyfitomboan’ ny fahatsapanareo fanantenana ary miaraka amin’ nyfifaliana bebe kokoa eo amin’ ny asa fanompoana ataonareo. Hofalifaly ianareo sy hihevitra fa afaka ny ho tsara ny zava-drehetraary ho fitahiana lehibe ho an’ ny vadinareo sy ny fianakavianareoianareo.

Ny faharoa izay tsy maintsy atao dia ny fitiavana nyvadinareo. Hitaky finoana sy fanetren-tena ny fametrahana nyzava-mahaliana azy ho eo ambonin’ ny anao manakona ao

H E N R Y B . E Y R I N G

135

Page 142: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

anatin’ ireo zava-manahirana eo amin’ ny fiainana.Andraikitrareo ny mamelona sy mikolokolo ny fianakavianamiaraka aminy sady manompo ny hafa. Mety handany ny herysy tanjaka rehetra izay anananareo izany indraindray. Metyhampitombo ny zavatra ilain’ ny vadinareo ny taona sy nyaretina. Raha misafidy ianareo amin’ izany ny hanao izayhahafaly azy kokoa mihoatra noho ianareo manokana diamampanantena aho fa hitombo ny fitiavanareo azy.

Fahatelo, asaivo mifankatia ny tsirairay ao amin’ nyfianakaviana. Nampianatra ny Filoha Ezra Taft Benson hoe:

“Raha ny mandrakizay no resahina dia azo lazaina faraharaham-mpianakaviana ny famonjena. . . .

“Ny ankizy ambonin’ ny zava-drehetra hafa dia milamahafantatra sy mahatsapa fa tiana sy ilaina ary ankasitrahanaizy ireo. Ilaina omena antoka mikasika izany matetika izy ireo.Mazava be fa andraikitra tokony ho tanterahan’ ireo ray aman-dreny izany, ary matetika ny reny no afaka manao izany amin’ nyfomba tsara indrindra.”10

Kanefa loharano lehibe iray hafa hananana izany fahatsapanaho tiana izany ny fitiavana avy amin’ ireo ankizy hafa ao amin’ny fianakaviana. Ny fifanampian’ ireo mpirahalahy sympirahavavy dia tsy ho tanteraka raha tsy amin’ ny alalan’ nyfikirizana ataon’ ny ray aman-dreny sy amin’ ny fanampian’Andriamanitra. Fantatrareo fa marina izany avy amin’ ireozavatra iainanareo eo amin’ ny fianakavianareo. Ary hamafisinafoana izany isaky ny mamaky ny fifandirana nisy teo amin’ nyfianakavian’ i Lehia sy ny vadiny, Sarià, ao amin’ ny rakitsoratryny Bokin’ i Môrmôna ianareo.

Ny fahombiazana azon’ izy ireo dia manome fitarihana hoantsika. Nampianatra ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy tamin’ nyfomba tsara sy tamim-pikirizana izy ireo hany ka ireo zanany,eny hatramin’ ireo taranaka sasantsasany tao anatin’ ny taranakanifandimby aza dia nampalefaka ny fony teo anoloan’Andriamanitra sy teo amin’ izy samy izy. Ohatra, nanoratra synanatona ireo olona tao amin’ ny fianakaviany izay fahavalony iNefia sy ireo hafa. Nisy ny fotoana nanalefahan’ ny Fanahy nyfon’ ireo olona an’ arivony ary nanovany an’ ilay fankahalana hofitiavana.

F I V O R I A M B E N ’ N Y F I S O R O N A N A

136

Page 143: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Ny fomba iray hamerenanareo ireo fahombiazan’ i LehiaRainy dia amin’ ny alalan’ ny fomba hitarihanareo ny vavaky nympianakavy sy ireo fotoana iarahan’ ny fianakaviana, toy nytakarivan’ ny mpianakavy. Omeo fotoana ahafahana manaovavaka ireo ankizy rehefa afaka mifampivavaka ao anatin’ ilayfaribolan’ ireo izay mila fitahiana. Fantaro haingana nyniantombohan’ ny tsy fitovian-kevitra ary jereo ireo fihetsika tsymifono fitiavan-tena izay nifampanaovan’ izy ireo. Rehefamifampivavaka izy ireo sy mifampanompo dia hihamalefaka nyfo ary hitodika any amin’ izy samy izy sy any amin’ ny ray aman-dreny.

Ny fomba fahaefatra hitarihana ny fianakaviana araky nyfomban’ ny Tompo dia tonga rehefa ampiharina ny fitsipi-pifehezana. Afaka manatanteraka ny adidintsika amin’ nyfanitsiana araky ny fomban’ ny Tompo isika ary avy eo mitarikaireo zanatsika mankany amin’ ny fiainana mandrakizay.

Ho tsaroanareo ireo teny, saingy mety mbola tsy hitanareo nyherin’ ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka manomana nyfianakaviany hiaina ao anatin’ ilay fiaraha-monina izay hiainanyany amin’ ny fanjakana selestialy. Tsaroanareo angamba iretoteny ireto. Be mpahafantatra izany:

“Tsy misy hery na fitaomana azo na tokony hotanana amin’ny alalan’ ny fisoronana raha tsy amin’ ny fandresen-dahatra, nyfahari-po, ny hatsaram-panahy sy ny hamoram-po ary nyfitiavana tsy mihatsaravelatsihy;

“Amin’ ny halemem-panahy sy ny fahalalana madio izaymampivoatra fatratra tokoa ny fanahy, tsy misyfihatsarambelatsihy sy tsy misy fitaka—

“Manitsy eo no ho eo amin’ ny fomba henjana rehefa entanin’ny Fanahy Masina; ary rehefa izany dia maneho fitiavanasesehena amin’ ilay nitsinao, fandrao heveriny ho fahavalonyianao;

“Mba hahafantarany fa ny fahatokianao dia mahery kokoanoho ny famatoran’ ny fahafatesana.”11

Ary taty aoriana ilay fampanantenana dia lasa manan-danjalehibe ho antsika amin’ ny maha-ray ato Ziona antsika: “NyFanahy Masina no ho namanao lalandava, ary ho tehim-piandrianan’ ny fahamarinana sy ny marina ka tsy hiovaova ny

H E N R Y B . E Y R I N G

137

Page 144: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

1.

2.

3.

4.5.

6.

7.

8.

9.

10.

11.

12.

tehim-piandriananao; ary ny fanapahana dia ho fanapahanamaharitra mandrakizay, ary tsy mitady fitaovam-pamoretana nohikorianany mankany aminao mandrakizay mandrakizay.”12

Tena ambony izany fitsipika izany ho antsika, kanefa rehefafehezintsika amim-pinoana ny fontsika sy ny avonavontsika, diahaneho ny fanekeny ny Fanahy Masina, ary ho azo antoka ireofampanantenana sy fanekempihavanana masina.

Hahita fahombiazana ianareo amin’ ny alalan’ ny finoanareofa namerina ireo fanalahidin’ ny fisoronana izay mbola etoanivontsika ny Tompo—miaraka amin’ ny fatorana azo antokyny fitiavanareo ny vadinareo, miaraka amin’ ny fanampian’ nyTompo hampitodika ny fon’ ireo zanakareo amin’ izy samy izyary amin’ ireo ray aman-dreniny, ary miaraka amin’ ilay fitiavanaizay mitarika anareo hanitsy sy hamporisika amin’ ny fomba izaymanasa ny Fanahy hatrany.

Fantatro fa i Jesoa no ilay Kristy sy ilay Mpamonjy antsika.Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Filoha Thomas S. Monson,dia mihazona sy mampiasa ireo fanalahidy rehetran’ nyfisoronana eto an-tany amin’ izao fotoana izao. Tiako izy arymanohana azy aho. Tiako izy ary mivavaka ho azy aho. Amin’ nyanarana masin’ i Jesoa Kristy, amena.

FanamarihanaFotopampianarana syFanekempihavanana 130:2.Fotopampianarana syFanekempihavanana 38:32–33.Jereo ny Joseph Fielding Smith,Sealing Power and Salvation,Brigham Young UniversitySpeeches of the Year (Jan. 12, 1971).Matio 16:19.Joseph Fielding Smith, tenynindramin’ i Harold B. Lee, taoamin’ ny Conference Report, Ôkt.1944, 75.Boyd K. Packer, “The HolyTemple,” Liahona, Ôkt. 2010, 85.

Teaching of Presidents of the Church:Joseph Smith (2007), 11.Melvin J. Ballard, nolazain’ iHarold B. Lee, tao amin’ nyConference Report, Ôkt. 1970, 111.Joseph Fielding Smith, “Counsel tothe Saints and to the World,”Ensign, Jolay 1972, 27.Ezra Taft Benson, “Salvation—aFamily Affair,” Tambuli, Nôv. 1992,3, 4.Fotopampianarana syFanekempihavanana 121:41–44.Fotopampianarana syFanekempihavanana 121:46.

F I V O R I A M B E N ’ N Y F I S O R O N A N A

138

Page 145: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Manam-piniavana syMendrika ny HanompoNataon’ ny Filoha Thomas S. Monson

Mitranga na aiza na aiza ny fahagagana rehefa takatratsara ny fisoronana, hajaina sy ampiasaina araky nytokony ho izy ny heriny, ary ampiasaina ny finoana.

Ry rahalahiko malala, tsara ery izany mihaona aminareoindray izany. Isaky ny manatrika fivoriamben’ ny fisoronanamaneran-tany aho dia misaintsaina ireo fampianarana avy tamin’ny sasany amin’ ireo mpitarik’ Andriamanitra manan-kaja izayefa nandaha-teny nandritra ny fivoriamben’ ny fisoronanamaneran-tany an’ ny Fiangonana. Maro no efa lasa namonjy nyvalisoany mandrakizay, kanefa avy tamin’ ireo fisainanymamiratra, avy tany amin’ ny ati-panahiny manontolo ary avytamin’ ny fitiavana ao am-pony no nanoloran’ izy ireo antsikatorolalana nentanim-panahy. Hozaraiko aminareo anio hariva nysasantsasany amin’ ireo fampianarany mahakasika ny fisoronana.

Avy amin’ ny Mpaminany Joseph Smith: “Ny fisoronana diafitsipika mandrakizay ary efa nisy niaraka tamin’ Andriamanitrahatrizay hatrizay, ary hisy mandrakizay, tsy misy fiandohan’andro na fiafaran-taona.”1

Avy amin’ ny tenin’ ny Filoha Wilford Woodruff noianarantsika ny hoe: “Ny Fisoronana Masina no lalam-pifandraisana izay hifandraisan’ Andriamanitra syhifampiraharahany amin’ ny olombelona eto an-tany; ary ireoiraky ny lanitra izay nitsidika ny tany mba hampita hafatra amin’ny olona dia lehilahy izay nihazona sy nanaja ny fisoronana fonyniaina tety an-tany; ary ny zava-drehetra izay nomanin’

T H O M A S S . M O N S O N

139

Page 146: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Andriamanitra mba ho tanterahana ho an’ ny famonjena nyolombelona, hatramin’ ny nahatongavan’ ny olombelona teto an-tany hatramin’ ny fanavotana an’ izao tontolo izao, dianotanterahina sy ho tanterahana amin’ ny herin’ ny fisoronanamandrakizay.”2

Nanazava bebe kokoa ny Filoha Joseph F. Smith hoe: “Nyfisoronana dia . . . ny herin’ Andriamanitra ampandraiketiny nyolombelona izay ahafahan’ ny olombelona manao asa eto an-tanyho an’ ny fanavotana ny fianakavian’ ny zanak’ olombelona,amin’ ny anaran’ ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, aryhiasa ara-dalana; tsy mihevitra ho manana ho azy izany fahefanaizany, na koa hoe mindrana izany avy tamin’ ireo taranaka izayefa maty sy lasan-ko razana, fa kosa fahefana izay nomena amin’izao andro izay hiainantsika izao tamin’ ny alalan’ nyfampianaran’ ireo anjely sy fanahy avy any ambony, mivantanaavy any anatrehan’ Andriamanitra Tsitoha.”3

Ary farany avy amin’ ny Filoha John Taylor: “Inona no ataohoe fisoronana? . . . Izany no fomba fitantanan’ Andriamanitra,na eto an-tany izany na any an-danitra, satria avy amin’ izanyfahefana, na fahafahana misafidy, na fitsipika izany nohitantanana ny zava-drehetra eto an-tany sy any an-danitra, aryamin’ ny alalan’ io fahefana io no hihazonana sy hanohanana nyzava-drehetra. Io no mitantana ny zava-drehetra—io no mitarikany zava-drehetra—io no manohana ny zava-drehetra—ary misyifandraisany amin’ ny zava-drehetra izay misy idiran’Andriamanitra sy ny fahamarinana.”4

Endrey izany fitahiana raisintsika amin’ izao andro faranyizao, izay hisian’ ny fisoronan’ Andriamanitra eto an-tany.Endrey ny tombontsoa manokana ananantsika noho nyfihazonana io fisoronana io. Tsy dia tena fanomezana loatra nyfisoronana fa andraikitra nomena mba hanompo, tombontsoaahafahana hampitraka, ary fahafahana hitahy ny fiainan’ ny hafa.

Miara-dalana amin’ izany fahafaha-manao zavatra maroizany ny andraikitra sy adidy. Tiako sy ankafiziko ilay tenymanan-kaja hoe adidy sy ny zava-drehetra mifandraika amin’izany.

Na tamin’ ny anjara fanompoana iray na tamin’ ny iray hafa,na tamin’ ny toe-java-niseho iray na tamin’ ny iray hafa dia

F I V O R I A M B E N ’ N Y F I S O R O N A N A

140

Page 147: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

nanatrika fivorian’ ny fisoronana aho nandritra ireo 72 taonalasa—hatramin’ ny nanendrena ahy ho diakona tamin’ ny faha-12taonako. Tena mandeha tokoa ny fotoana. Manaraka ny fikorian’izany taona izany koa ny fiavosan’ ireo adidy. Tsy mihamora namihena ny adidy. Be ireo fifandirana nitranga sy nifarana, fa ilayady atao ho an’ ny fanahin’ ny olombelona dia mitohy tsy misyfiafarana. Toy ny antso mifono fahendrena no ahatongavan’ nytenin’ ny Tompo any aminao, aty amiko ary any amin’ ireompihazona ny fisoronana na aiza na aiza, manao hoe:“Ankehitriny, aoka ny olona tsirairay hianatra ny andraikiny, aryhiasa amin’ ny zotom-po rehetra ao amin’ ny anjara fanompoanaizay anendrena azy.”5

Ilay antso hanoa adidy dia tonga tamin’ i Adama, tamin’ iNoà, tamin’ i Abrahama, tamin’ i Mosesy, tamin’ i Samoela,tamin’ i Davida. Tonga tamin’ ny Mpaminany Joseph Smith syireo tsirairay izay nandimby azy koa izany. Tonga tamin’ ilayzazalahy hoe Nefia koa ny antso mba hanoa adidy rehefa nomen’ny Tompo torolalana izy, tamin’ ny alalan’ i Lehia rainy, mbahiverina an’ i Jerosalema hiaraka amin’ ireo rahalahiny haka ireotakela-barahina teo an-tanan’ i Labana. Nimonomonona ireorahalahin’ i Nefia, ary nilaza fa zavatra sarotra no angathinaamin’ izy ireo. Inona kosa no navalin’ i Nefia? Hoy izy:“Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ nyTompo, satria fantatro fa tsy manome didy ho an’ ny zanak’olombelona ny Tompo raha tsy efa nanomana lalana ho azy mbahahazoany manatontosa ny zavatra izay andidiany azy.”6

Rehefa ho tonga amiko sy aminao izany antso izany diaahoana no handraisantsika izany? Himonomonona ve isika,tahaka ny nataon’ i Lamana sy i Lemoela, ary hiteny hoe: “sarotrany zavatra izay takia[na] amin[na]y”?7 Sa ve isika hanao tahakaan’ i Nefia ary afaka hiteny tsirairay hoe: “Handeha aho aryhanao”? Moa ve isika hanam-piniavana hanompo sy hankatò?

Indraindray ny fahendren’ Andriamanitra dia toa miendrikaho hadalana na sarotra loatra fotsiny, kanefa dia iray amin’ ireolesona manan-danja sy lehibe indrindra azontsika ianarana etoamin’ ity fiainana ity ny hoe rehefa miteny Andriamanitra kamankatò ny olona iray, dia hanana ny marina hatrany izanyolona izany.

T H O M A S S . M O N S O N

141

Page 148: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Rehefa misaintsaina ilay teny hoe adidy aho sy ny fombaahafahan’ ny fanatanterahana ny adidintsika hampivoatra nyfiainantsika sy ny fiainan’ ireo olon-kafa dia tsaroako ireo tenynosoratan’ ny mpahaitononkalo sy mpanoratra malaza iray izay:

Natory aho ka nanofyHoe fifaliana ny fiainanaNifoha aho ka nahitaHoe toa adidy no iainana.Dia nanao aho kanjo indro—Hay fifaliana ny adidy.8

Nolazain’ i Robert Louis Stevenson tamin’ ny fomba hafa koaizany. Hoy izy: “Fantatro ny atao hoe fahafinaretana, satria efananao asa tsara aho.”9

Rehefa manao ny adidintsika isika sy mampiasa nyfisoronantsika dia hahita fifaliana marina. Hahatsapa ilayfahafaham-po avy amin’ ny fahatontosana ny asantsika isika.

Efa nampianarina antsika ireo adidin’ ny fisoronanamanokana izay hazonintsika, na izany Fisoronana Aharôna naFisoronana Melkizedeka. Mamporisika anareo aho hisaintsainaireo adidy ireo ary avy eo hanao izay rehetra vitanareohanatanterahana azy ireo. Mba hahafahana manao izany dia tsymaintsy mendrika ny tsirairay. Aoka isika hanana tanana vonona,sy tanana madio ary hanam-piniavana mba hahafahantsikamandray anjara amin’ ny fanomezana ny zavatra izay tian’ nyRay any an-danitra ho raisin’ ny hafa avy Aminy. Raha tsymendrika isika dia mety tsy hanana ny herin’ ny fisoronana; aryrehefa tsy manana izany isika dia tsy hanana koa ny zavatrailaintsika ho amin’ ny fisandratana. Aoka isika ho mendrika nyhanompo.

Ny Filoha Harold B. Lee, iray amin’ ireo mpampianatralehibe teto am-piangonana dia niteny hoe: “Rehefa lasampihazona ny fisoronana ny olona iray dia lasa solontenan’ nyTompo nahazo lalana. Ny antsony dia tokony ho raisiny toy nyhoe eo am-panaovana ny raharahan’ ny Tompo izy.”10

Nandritra ny Ady Lehibe faha-II, tamin’ ny tapany voalohan’ny taona 1944, dia nisy traikefa nampiasana ny fisoronananitranga nandritra ny fanafihana sy fambaboan’ ireo vondro-

F I V O R I A M B E N ’ N Y F I S O R O N A N A

142

Page 149: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

miaramila tantsambo Amerikana tany amin’ ny nosikelyKwajalein, izay ampahan’ ireo Nosy Marshall any amin’ nyRanomasimbe Pasifika eo anelanelan’ i Australie sy Hawaii. Nyzavatra nitranga teto dia notantarain’ ny mpanao fanadihadianaan-gazety iray—izay tsy mpikamban’ ny Fiangonana—izay niasatao amin’ ny orinasa fanaovan-gazety iray tao Hawaii. Tao amin’ny lahatsoratra an-gazety iray tamin’ ny 1944 dia nanoratra izaoizy taorian’ ny nitrangan’ ilay traikefa. Nanazava izy fa tao amin’ny vondrona faharoa tao aorian’ ireo vondro-miaramilatantsambo izay tany amin’ ny nosy Kwajalein izy sy ireo mpanaofanadihadiana hafa. Teo am-pirosoana dia tsikaritr’ izy ireo nisymiaramila tantsambo iray nitsingevana miankohoka tao anatyrano, izay hita fa naratra mafy tokoa. Ny fanambanin’ ny ranomanodidina azy dia mena noho ny ra. Avy eo dia nahitamiaramila tantsambo iray hafa izy ireo izay milomano manatonailay namany naratra. Naratra ihany koa io miaramila tantsambofaharoa io, ary ny sandriny havia dia mikirazorazo tsy afa-nihetsika manaraka ny ilan’ ny vatany. Natrakany ny lohan’ ilayiray izay nitsingevana tanaty rano mba tsy hahasempotra azy.Niantsoantso vonjy tao anatin’ ny fahamehana izy. Notazanin’ireo mpanao fanadihadiana indray ilay zazalahy navotany arynihiaka izy ireo hoe: “Anaka, tsy misy azontsika ho atao ho an’ iozazalahy io intsony.”

“Avy eo,” hoy ilay mpanao fanadihadiana nanoratra, “dianahita zavatra izay mbola tsy fahitako hatramin’ izay niainakoaho. Ity zazalahy ity, izay naratra mafy ihany koa, dia niezakanamonjy ny morony niaraka tamin’ ity vatana izay toa tsy miainaintsony izay an’ ny tantsambo namany ity. Napetrany teoambonin’ ny lohaliny ny lohan’ ilay namany. Tena nahavarianaizany zava-nitranga izany—nahita azy roalahy izay naratra mafyefa mila ho faty—samy . . . zatovolahy izay miendrika ho madioara-pitondrantena, na dia anatin’ ny toe-javatra mampahory aza.Avy eo dia nanondrika ny lohany teo amin’ ilay iray hafa ilaytovolahy iray sady niteny hoe: ‘Mandidy anao aho, amin’ nyanaran’ i Jesoa Kristy sy amin’ ny alalan’ ny herin’ ny fisoronana,mba tsy ho faty mandrapahafahako mahita fanampiana ara-pitsaboana.’” Tahak’ izao no namaran’ ilay mpanaofanadihadiana ny zavatra nosoratany: “Izahay telo, [izaho sy ireo

T H O M A S S . M O N S O N

143

Page 150: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

miaramila tantsambo roa], dia indro niaraka ato amin’ nyhôpitaly. Tsy fantatr’ ireo dokotera . . . [izay tsy nahafatesan’ izyireo], fa izaho kosa mahafantatra.”11

Mitranga na aiza na aiza ny fahagagana rehefa takatra tsarany fisoronana, hajaina sy ampiasaina araky ny tokony ho izy nyheriny, ary ampiasaina ny finoana. Rehefa manolo ny fisalasalanany finoana, rehefa manolo ireo ezaka mifono fitiavan-tena ny asafanompoana tsy hilana tambiny dia mahatanteraka ny tanjony nyherin’ Andriamanitra.

Ilay antso hanoa adidy dia tonga amim-pahanginana rehefamanaiky ny handray ireo andraikitra isika izay mihazona nyfisoronana. Ny Filoha George Albert Smith, ilay mpitarika tsotranefa nahomby, dia nilaza hoe: “Andraikitrao aloha ny mianatrany zavatra tian’ ny Tompo ary avy eo, amin’ ny alalan’ ny hery syny tanjaky ny Fisoronany Masina, ny milofo amin’ ny antsonaoeo anatrehan’ ireo namana amin’ ny fomba izay . . . hahatonga nyolona ho faly hanaraka ny ohatra ataonao.”12

Ny antso hanoa adidy toa izany—na dia antso somary bitikaihany aza kanefa nahafahana nanampy nanavotra fanahyiray—dia tonga tamiko tamin’ ny 1950 fony aho vao nantsoina hoeveka. Maro sy amin’ ny endriny maro samihafa ireo andraikitrotamin’ ny naha-eveka ahy ary niezaka araka izay vitako ahohanao izay zava-drehetra notakiana tamiko. Tafiditra tamin’ nyady iray hafa i Etazonia tamin’ izany. Koa satria maro tamin’ ireompikambana tato amintsika no nanompo ho miaramila tao amin’ny tafika, dia nomen’ ny birao foiben’ ny Fiangonana andraikitraireo eveka rehetra mba hanome ireo miaramila tsirairay ireofamandrihana tamin’ ny Church News sy ny Improvement Era, ireogazetibokin’ ny Fiangonana tamin’ izany andro izany. Hofanampin’ izany, dia nangatahina ny eveka tsirairay mbahanoratra taratasy manokana isam-bolana ho an’ ny miaramilatsirairay izay avy ao amin’ ny paroasiny. Nanana lehilahy 23nanompo ho miaramila ny paroasinay. Ny kôlejin’ ny fisoronanadia nanao ezaka tamin’ ny fanampiana ny vola hanaovana nyfamandrihana ireo gazetiboky ireo. Noraisiko ilay asa, eny ilayadidy, hanoratra taratasy miisa 23 isam-bolana. Tao aorian’ izaytaona maro izay dia mbola manana ny tahadikan’ ny maro tamin’ireo taratasy nosoratako ireo aho sy ny valiny izay voaraiko.

F I V O R I A M B E N ’ N Y F I S O R O N A N A

144

Page 151: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Mirotsaka ny ranomasoko rehefa mamerina mamaky ireotaratasy ireo aho. Fifaliana tokoa ny mamerina mijery indray nyfanoloran-tenan’ ny miaramila iray hiaina ny filazantsara, na nyfanapahan-kevitry ny tantsambo iray hihazona ny finoanymiaraka amin’ ireo fianakaviany.

Indray hariva dia natolotro ny rahavavy iray tao amin’ nyparoasy ireo amboaran-taratasy miisa 23 ho an’ io volana io. Nyandraikiny dia ny mandefa ireo taratasy ireo ary mihazona nylisitr’ ireo adiresy izay niovaova foana. Nanopy maso tamin’ nyvalopy iray izy ary tamim-pitsikiana no nanontaniany ahy hoe:“Eveka a! tsy mety kivy mihitsy ve ianao? Misy taratasy ho an’ny Rahalahy Bryson indray ity. Ity no taratasy faha-17 nalefanaoho azy kanefa izy mbola tsy nandraisana valiny mihitsy.”

Namaly aho hoe: “Angamba mety hamaly izy amin’ ityvolana ity.” Tena izay tokoa no nitranga tamin’ io volana io. Vaosambany tamin’ izay no namaliany ny taratasiko. Tenafahatsiarovana mamy, zava-tsarobidy ny valin-taratasy avytaminy. Nanompo tany amin’ ny toerana lavitra izy, nitoka-monina, manina te-hody ary nanirery. Nanoratra izy hoe: “Ryeveka malala, tsy dia tia manoratra taratasy aho.” (Afaka nilazaizany taminy koa aho raha volana maromaro tany aloha.) Toyizao no tohin’ ny taratasiny: “Misaotra noho ireo Church News syireo gazetiboky, fa ambonin’ izany dia misaotra anao aho nohoireo taratasy nosoratanao ho ahy manokana. Nandray fanapahan-kevitra lehibe teo amin’ ny fiainako aho. Notendrena hompisorona ao amin’ ny Fisoronana Aharôna aho. Tretrika ny fokoary faly tokoa aho.”

Tsy faly mihoatra noho izay tsapan’ ny evekany rahalahyBryson. Nianarako tamin’ izay ny fampiharana ilay fomba fitenyizay manao hoe: “Ataovy ny anjara[nao], izay no tsara indrindra.Ankino amin’ ny Tompo ny ambiny.”13

Taona maro taty aoriana, raha nanatrika ny Tsatòkan’ iCottonwood Salt Lake aho, izay nanompoan’ i James E. Faust hofiloha, dia nizara izany tantara izany aho mba ho entinahamporisihana ny olona tsy hanadino ireo miaramilantsika izaymanompo. Taorian’ io fivoriana io dia nisy lehilahy ranjananairay nanatona ahy. Noraisiny ho ao an-tanany ny tanako sadyniteny izy hoe: “Eveka Monson, tadidinao ve aho?”

T H O M A S S . M O N S O N

145

Page 152: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Tadidiko tampoka hoe iza izy. “Rahalahy Bryson!” hoy ahonihiaka. “Manao ahoana ianao? Inona no ataonao ato am-piangonana?”

Tamin’ ny valin-teny feno fifaliana no nilazany hoe: “Salamaaho. Manompo ao amin’ ny fiadidian’ ny kôlejin’ ny loholonaaho. Mamerina ny fisaorako anao hatrany aho noho ny fiahianaoahy sy tamin’ ireo taratasy nosoratanao ho ahy izay sarobidytamiko tokoa.”

Ry rahalahy, mila ny fanampianareo izao tontolo izao. Moave isika manao izay rehetra tokony ho ataontsika? Tsaroantsikave ny tenin’ ny Filoha John Taylor: “Raha tsy milofo amin’ nyantsonareo ianareo dia ho raisin’ Andriamanitra ho tompon’andraikitra ianareo mahakasika ireo olona izay mety hovoavonjinareo raha nanao ny andraikitrareo ianareo.”14 Maro ireotongotra tokony hatanjahina, tanana ho sintonina, saina hohamafisina, fo ho entanina ary fanahy tokony ho vonjena.Miandry anareo ireo fitahian’ ny mandrakizay. Anareo nyandraikitra tsy ho mpitazana ka ho mpandray anjara eny amin’ny sehatra ho an’ ny asa fanompoana ao amin’ ny fisoronana.Aoka isika hanongilan-tsofina amin’ ny fampahatsiahivana aoamin’ ny Epistilin’ i Jakoba: “Fa aoka ho mpankato ny tenyhianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka nytenanareo.”15

Aoka isika hianatra sy hisaintsaina ny adidintsika. Aoka isikahanam-piniavana sy ho mendrika ny hanompo. Aoka isikahanaraka ny dian-tongotry ny Tompo eo am-panatanterahantsikany adidintsika. Rehefa mandia ny lalana nolalovan’ i Jesoa izahosy ianao dia hahita fa mihoatra an’ ilay naha-zaza azy taoBetlehema izy, mihoatra noho ny maha-ilay zanaky nympandrafitra azy izy, ary mihoatra lavitra nohoizaympampianatra efa niaina tety an-tany. Hanatona syhahafantatra Azy amin’ ny maha-Zanak’ Andriamanitra Azyisika, amin’ ny maha-Mpamonjy sy Mpanavotra Azy. Rehefanomena Azy ny antso hanoa ny adidy dia hoy ny navaliny: “Rayô, hatao anie ny sitraponao ary ho Anao ny voninahitramandrakizay.”16 Enga anie hanao toy izany isika tsirairay, izanyno vavaka ataoko amin’ ny anarany masina, dia ny anaran’ iJesoa Kristy Tompo, amena.

F I V O R I A M B E N ’ N Y F I S O R O N A N A

146

Page 153: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

1.

2.

3.

4.

5.

6.

7.8.

9.

10.

11.

12.

13.

14.15.16.

FanamarihanaTeachings of Presidents of the Church:Joseph Smith (2007), 104.Teachings of Presidents of the Church:Wilford Woodruff (2004), 38.Joseph F. Smith, Gospel Doctrine,edisiona faha-5 (1939), 139–40;nampiana fanamafisana.Teachings of Presidents of the Church:John Taylor (2001), 119.Fotopampianarana syFanekempihavanana 107:99;nampiana fanamafisana.1 Nefia 3:7; jereo ihany koa nyandininy 1–5.Jereo ny 1 Nefia 3:5.Rabindranath Tagore, in WilliamJay Jacobs, Mother Teresa: Helpingthe Poor (1991), 42.Robert Louis Stevenson, in ElbertHubbard II, comp., The Note Book ofElbert Hubbard: Mottoes, Epigrams,

Short Essays, Passages, OrphicSayings and Preachments (1927), 55.Stand Ye in Holy Places: SelectedSermons and Writings of PresidentHarold B. Lee (1976), 255.Ao amin’ ny Ernest Eberhard Jr.,“Giving Our Young Men theProper Priesthood Perspective,” 19Jolay 1971; 4–5, Church HistoryLibrary.George Albert Smith, in ConferenceReport, Apr. 1942, 14.Henry Wadsworth Longfellow,“The Legend Beautiful,” in TheComplete Poetical Works of Longfellow(1893), 258.Teachings: John Taylor, 164.Jakoba 1:22.Mosesy 4:2.

T H O M A S S . M O N S O N

147

Page 154: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

F I V O R I A N A A L A H A D Y M A R A I N A | 1 A p r i l y 2 0 1 2

Izay Miantra no HiantranaNataon’ ny Filoha Dieter F. UchtdorfMpanolotsaina Faharoa ao amin’ ny Fiadidiana Voalohany

Rehefa feno ny fitiavan’ Andriamanitra ny fontsika dialasa “mifaneho hatsaram-panahy sy malemy fo arymamela heloka” isika.

Ry rahalahy sy anabavy malalako, vao tsy ela akory izay nonandray taratasy avy tamin’ ny reny sahiran-tsaina iray aho izayniangavy ahy mba hanao lahateny mikasika ny lohahevitra irayizay hitondra tombontsoa manokana ho an’ ny zanany roamandritra ny fihaonamben’ ny Fiangonana. Tena tsy nifankahazoam-po izy ireo ary dia nijanona tsy nifampiresaka intsony. Tenavaky fo ilay renim-pianakaviana. Nanome antoka ahy izy taoamin’ ilay taratasy fa ny hafatra mikasika izany lohahevitra izanymandritra ny fihaonamben’ ny Fiangonana dia hampiombona nyzanany, ary dia hihatsara ny zava-drehetra.

Ny fiangaviana tamin-kitsimpo nataon’ ity rahavavy ity diairay tamin’ ireo bitsika maro izay voaraiko tao anatin’ izay volanavitsivitsy lasa izay fa tokony hiresaka kely mikasika nylohahevitra iray izay lasa olana lehibe aho anio—tsy ho an’ ilayreny sahiran-tsaina fotsiny ihany fa ho an’ ireo olona maro atoam-piangonana, ary ho an’ izao tontolo izao mihitsy.

Talanjona amin’ ny finoan’ ity reny be fitiavana ity aho hoeafaka manampy hanasitrana ny fifandraisana misy eo amin’ ireozanany ny lahateny iray ao amin’ ny fihaonamben’ nyFiangonana. Mino aho fa tsy ny fahaizan’ ireo mpandahatenyloatra no ananany fahatokisana fa ny “herin’ ny tenin’Andriamanitra,” izay misy “fiantraikany mahery kokoa amin’ nysain’ ny olona noho ny . . . zavatra hafa.”1 Ranabavy malala,mivavaka aho mba hokasihan’ ny Fanahy ny fon’ ireo zanakao.

148

Page 155: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Rehefa Miharatsy Tanteraka ny FifandraisanaEfa nisy hatrany am-piandohan’ ny fisian’ ny olombelona ny

fifandraisana sarotra dia sarotra sy rava. I Kaina fahiny novoalohany namela ny fahatsapana fankahalana sy faharatsian-toetra hanimba ny fony. Nataony izay namboleny tao anatyfanahiny ny fialonana sy fankahalana ary navelany hitombo ireofahatsapana ireo mpandrapahavitany zavatra iray izay tsytakatry ny saina—dia ny famonoana ny rahalahiny ary rehefaizany dia lasa rain’ ny lainga avy amin’ i Satana teto an-tany izy.2

Hatramin’ ireo fiandohana fahiny ireo, ilay toe-tsaina fenofialonana sy fankahalana dia niteraka ny sasany amin’ ireotantara mampivarahontsana indrindra niseho teto an-tany.Nahatonga an’ i Saoly hankahala an’ i Davida izany, nahatongaireo zanakalahin’ i Jakoba tsy ho tia an’ i Josefa rahalahiny,nahatonga an’ i Lamana sy Lemoela hiady amin’ i Nefia arynahatonga an’ i Amalikià hifanandrina amin’ i Môrônia.

Ataoko angamba fa ny olona tsirairay eto an-tany dia efaniharan-javatra tamin’ ny fomba samihafa avy tamin’ ilay toe-tsaina tia fifandirana, feno lolom-po ary mifono valifaty. Arymety misy mihitsy aza fotoana ahatsapantsika ny fisian’ izanytoetra izany ato anatintsika. Rehefa maratra ny fontsika, natezitra isika na mialona isika dia mora ny mitsara ny olon-kafa,ary manendrikendrika isika matetika hoe mikononkononazavatra ratsy izy ireo mba hanomezantsika rariny an’ ilaylolompo ao anatintsika.

Ny FotopampianaranaFantatsika mazava ho azy fa tsy mety izany. Mazava ny

fotopampianarana. Samy miankin-doha amin’ ny Mpamonjyisika rehetra. Tsy misy ho voavonjy raha tsy amin’ ny Alalany.Tsy manam-petra sy mandrakizay ny Sorompanavotan’ i Kristy.Misy fepetra anefa ny famelana ireo otan tsika. Tsy maintsymibebaka isika ary tsy maintsy mamela ny hafa koa.Nampianatra i Jesoa hoe: “[Mi]famelà ianareo; fa izay tsy mamelany fahadisoan[a] . . . dia meloka eo anoloan’ ny Tompo; famitoetra ao aminy ny fahotana lehibe kokoa”3 ary “Sambatra nymiantra; fa izy no hiantrana.”4

D I E T E R F . U C H T D O R F

149

Page 156: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Mazava ho azy fa toa tena mitombina tokoa ireo tenyireo—rehefa ampiharina amin’ ny olon-kafa. Afaka mahitamazava tsara sy mora tokoa an’ ilay voka-dratsy mitranga isikarehefa mitsara sy manana lolompo ny olon-kafa. Ary azo antoka fatsy ho tiantsika ny hitsaran’ ny olona antsika.

Fa raha ny tenantsika kosa no mitsaratsara an-tendrony syfeno lolom-po dia haintsika ery matetika ny manamarina nyhatezerantsika ho toy ny zavatra ara-drariny ary nyfitsaratsarantsika ho toy ny mari-pototra sy mety. Na dia tsymahita ny ao am-pon’ ny olon-kafa aza isika dia sahy mitso-tenafa mahafantatra ny fisian’ ny fihetsika ratsy na olon-dratsy iraymihitsy aza raha vao mahita olona na fihetsika ratsy. Tsy toyizany kosa anefa no ataontsika rehefa isika no mahatsapafankahalana satria isika dia mahatsapa, raha mikasika antsikamanokana fa manana ny fampahalalana rehetra ilaina mbahanebatebahana olon-kafa.

Tao amin’ ny taratasy nosoratany ho an’ ireo Romana dianilaza ny Apôstôly Paoly fa ireo izay mitsara ny hafa dia “tsymanan-kalahatra.” Nanazava izy fa raha vao mitsara olon-kafaisika dia manameloka ny tenantsika koa isika, satria samymanota ny rehetra.5 Ny tsy famelana heloka dia fahotanalehibe—iray amin’ ireo fampitandremana nataon’ ny Mpamonjyizany. Ny mpianatr’ i Jesoa dia “nitady hirika hifampiampanganaka tsy nifamela tao am-pony; ary noho izany faharatsiana izany,dia nijaly izy ireo ary nofaizina mafy tokoa.”6

Niresaka mazava tsara momba izany lohahevitra izany nyMpamonjy ka tsy misy fomba ahafahana mandika vilana izany.“Izaho Tompo dia hamela izay tiako havela heloka,” saingy hoyIzy avy eo hoe: “. . . fa takiana aminareo kosa ny hamela ny olon-drehetra.”7

Afaka manampy fanazavana fanampiny kely ve aho? Rehefamitaky ny hamelantsika ny olon-drehetra ny Tompo, dia tafiditraao anatin’ izany koa ny famelana ny tenantsika. Indraindray, aoanatin’ ireo olona rehetra eto amin’ izao tontolo izao, ilay olonairay izay tena sarotra ny mamela azy, ary angamba koa ilay olonairay izay tena mila indrindra ny famelantsika azy—dia nytenantsika.

F I V O R I A N A A L A H A D Y M A R A I N A

150

Page 157: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Ny Fitsipika FototraAzo ampianarina amin’ ny alalan’ ny toriteny ahitana teny

roa monja ny lohahevitra mikasika ny fitsaratsarana ny hafa.Raha mikasika ny fankahalana, fifosafosana, tsy firaharahiana,fanalana baraka, fananana lolom-po na faniriana handratra fo noresahina—dia ampiharo izao manaraka izao:

Ajanony izany!Tena tsotra be ilay izy. Mila manajanona ny fitsaratsarantsika

ny hafa fotsiny isika ary manolo izany eritreritra sy fahatsapanate-hitsaratsara izany amin’ ny fo feno fitiavana an’ Andriamanitrasy ny fitiavana ny zanany rehetra. Raintsika Andriamanitra.Zanany isika. Mpirahalahy sy mpirahavavy isika rehetra. Tsyhaiko loatra ny fomba tena hilazako ny hoe aza mitsaratsara nyhafa amin’ ny fomba tena mazava sy amim-pirehetampo aryamim-pandresen-dahatra mba hahatsiarovanareo izany foana.Afaka mitanisa soratra masina aho, afaka miezaka nymamelabelatra fotopampianarana ary hilaza soratra mampitahafatra hitako vao haingana teo amin’ ny taratasy mandraikitenatao aorian’ ny fiara iray mihitsy aza aho. Nipetaka tao aorian’ nyfiara iray izany ary nimotomototra be ihany ilay mpamily azy,kanefa ireo teny hita teo amin’ ilay taratasy mandraikitena dianampianatra lesona manan-danja. Hoy izany hoe: “Aza mitsaraahy ianao satria manota tahaka anao aho fa amin’ ny fomba hafafotsiny.”

Tokony hanaiky isika fa tsy lavorary isikarehetra—mpangataka avokoa isika eo anatrehan’ Andriamanitra.Moa ve isika rehetra, tsy efa nisy fotoana, mba nangataka tamim-panetren-tena ny famindrampony sy niangavy ny fahasoavany?Moa ve isika rehetra tsy efa naniry tamin’ ny herin’ nyfanahintsika manontolo hahazo famindrampo—mba ho voavelaamin’ ireo hadisoana izay nataontsika sy ireo fahotana vitantsika?

Satria miankina amin’ ny famindrampon’ Andriamanitraisika rehetra dia ahoana no ahafahantsika mandà ny tsy hanomeny hafa ilay ampahan’ ny famindrampo izay katsahintsika mafyho an’ ny tenantsika? Ry Rahalahy sy rahavavy malalako, moatsy tokony hamela ve isika raha te-ho voavela?

D I E T E R F . U C H T D O R F

151

Page 158: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Ny Fitiavan’ AndriamanitraMoa sarotra atao ve izany?Eny, mazava ho azy.Tsy mora ny mamela ny tenantsika sy ny olon-kafa. Raha ny

marina, ho an’ ny ankamaroantsika dia mitaky fiovana maheryvaika eo amin’ ny toetrantsika sy ny fomba fisainana izany—enymitaky fiovam-po mihitsy aza. Kanefa ity misy vaovao tsara.Natao mba hitondra izany “fiovana mahery vaika”8 ao am-poizany mihitsy ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy eo amin’ nyfiainantsika.

Ahoana no anaovana izany? Amin’ ny alalan’ ny fitiavan’Andriamanitra.

Rehefa heniky ny fitiavan’ Andriamanitra ny fontsika diahisy zavatra tsara sy madio hitranga amintsika. “[Mitandrina] nydidiny [isika], sady tsy mampijaly ny didiny. “Fa izay rehetranaterak’ Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao.”9

Rehefa avelantsika bebe kokoa hifehy ny saintsika sy nyfihetseham-pontsika ny fitiavan’ Andriamanitra—dia avelantsikabebe kokoa hitombo ao am-pontsika ny fitiavan’ ny Raintsika anyan-danitra—dia ho moramora kokoa ny hitiavana ny hafa amin’ny fitiavana madion’ i Kristy. Rehefa manokatra ny fontsika mbahidiran’ ilay fitiavan’ Andriamanitra izay miposaka vao marainainy isika dia hanjavona ilay haizina sy hatsiakan’ ny fankahalanasy fialonana.

Araky ny mahazatra dia i Kristy no ohatra tonga lafatratokony ho arahintsika. Natorony antsika tao anatin’ nyfampianarany sy teo amin’ ny fiainany ny lalana. Izy dia namelany ratsy fanahy, ny olona manana fisainana mirefarefa amin’ nytany ary ireo izay nikatsaka ny handratra sy hamono Azy.

Nilaza i Jesoa fa mora ny mitia ireo izay tia antsika, ka na diany ratsy fanahy aza dia afaka manao izany koa. Kanefanampianatra lalàna ambonimbony kokoa i Jesoa Kristy.Nanakoako nandritra ny taonjato maro ary mbola manan-keryhatramin’ izao andro izao ny teniny. Natao ho an’ ireo rehetraizay maniry ny ho tonga mpianany izany. Natao ho anao sy hoahy izany: “Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’ izaymanenjika anareo.”10

F I V O R I A N A A L A H A D Y M A R A I N A

152

Page 159: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Rehefa heniky ny fitiavan’ Andriamanitra ny fontsika dia ho“samy halemy fanahy amin’ ny namany avy [isika], kahifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helo[tsika]—ao amin’ i Kristy.”11

Afaka manaisotra ireo elakelaky ny lolom-po sy nyfahatezerana hiala eo amin’ ny masontsika ny fitiavana madion’ iKristy, mba hahafahantsika mahita ny hafa amin’ ny fombafahitan’ ny Raintsika any an-danitra azy: fa isika rehetra diaolona mety maty manam-pahalemena sy tsy lavorary izaymanana hery anaty sy manana ny maha izy azy izay mihoatralavitra an’ izay azon’ ny saintsika eritreretina. Mila mifankatia symifamela koa isika satria tia antsika loatra Andriamanitra.

Ny Lalan’ ny Maha-MpianatraRy rahalahy sy rahavavy malalako, raiso ho toy ny

famakafakana ny momba ny tenanareo ireto fanontanianamanaraka ireto:

Moa manana lolom-po amin’ ny hafa ve ianao?Moa ve ianao mifosafosa, na dia mety ho marina aza ny

teneninao?Moa ve ianao manilika na manalavitra na manafay ny hafa

noho ny zavatra nataon’ izy ireo?Moa ve ianao mialona any anaty olona iray hafa?Moa ve ianao manana faniriana hanao ratsy amin’ ny olona

iray?Raha toa ka nataonao eny ny valin’ ireo fanontaniana ireo dia

mety tokony hampihatra ilay toriteny ahitana teny roa voalazateny aloha ianao hoe: Ajanony izany!

Mora tokoa ny manangom-bato sy mitora-bato eto amin’ ityizao tontolo izao ity izay ahitana fifanendrikendrehana syhasomparana. Kanefa alohan’ ny hanaovantsika izany dia aokaisika hahatsiaro ireo teny avy amin’ ilay Iray izay Tompontsika syohatra arahintsika: “Izay tsy nanota aminareo no aoka hitora-batoazy voalohany.”12

Rahalahy sy rahavavy,Aoka isika ho tsara fanahy.Aoka isika hamela heloka.Aoka isika hifampiresaka amim-pitiavana.Aoka hameno ny fontsika ny fitiavan’ Andriamanitra.

D I E T E R F . U C H T D O R F

153

Page 160: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

“Aoka isika hanao soa amin’ ny olona rehetra.”13

Nampanantena ny Mpamonjy hoe: “Omeo, dia mba homenahianareo; fatra tsara sady ahintsana no afatratra, . . . Fa izay fatra[ampiasainareo] no hamarana ho anareo kosa.”14

Moa ve izany fampanantenana izany tsy ampy ho antsikamba hifantohana amin’ ny ezaka ataontsika hanehoana fihetsikafeno hatsaram-panahy, sy famelana heloka ary fiantrana, toy izayfihetsika ratsy?

Andeha isika ho mpanara-dia an’ i Jesoa Kristy, hanehohatsaram-panahy manoloana ireo ratsy fanahy amintsika.15

Andeha isika tsy hamaly faty na hamela ny hatezerana hanenikany fontsika.

“Fa voasoratra hoe: Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoyJehovah.

“Fa raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; rahamangetaheta izy, omeo hosotroiny. . . .

“Aza mety ho resin’ ny ratsy hianao, fa reseo amin’ ny soa nyratsy.”16

Tsarovy: amin’ ny farany dia ny miantra [ihany]; . . . nohiantrana.17

Amin’ ny maha-mpikamban’ Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy hoan’ ny Olomasin’ ny Andro Farany antsika, na aiza na aiza misyantsika dia aoka isika ho fantatra amin’ ny maha olona“mifankatia”18 antsika.

MifankatiavaRy Rahalahy sy rahavavy, efa be loatra ireo alahelo sy

fahoriana eto amin’ ity fiainana ity raha mbola ho ampiantsika di-doha, sy fankahalana ary lolompo avy amintsika indray.

Tsy lavorary isika.Tsy lavorary toa izany koa ireo manodidina antsika.19 Manao

zavatra izay mahasorena sy mahadiso fanantenana arymahatezitra ny olona. Ho toy izany foana no hitranga eto amin’ity fiainana an-tany ity.

Na izany aza anefa dia tokony ho esorintsika izay lolompo aoanatintsika. Anisan’ ny ao anatin’ ny tanjon’ ny fiainana eto an-tany ny hanesorana ny zavatra toy izany. Izany no fomban’ nyTompo.

F I V O R I A N A A L A H A D Y M A R A I N A

154

Page 161: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

1.2.3.

4.5.6.

7.

8.9.

10.

11.12.13.14.15.16.17.18.19.

Tsarovy fa ny lanitra dia feno olona tahak’ izao: Voavela izyireo. Ary namela heloka koa.

Apetraho eo amin’ ny Mpamonjy ny enta-mavesatrao. Azamitsara. Avelao hanova sy hanasitrana ny fonao nySorompanavotan’ i Kristy. Mifankatiava. Mifamelà heloka.

Ireo miantra no hiantrana.Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ ny anaran’ ilay

Iray izay tena tia tokoa ka nanolotra ny ainy ho antsika, Izaynamany—amin’ ny anarana masin’ i Jesoa ilay Kristy; amena.

FanamarihanaAlmà 31:5.Jereo ny Mosesy 5:16–32.Fotopampianarana syFanekempihavanana 64:9.Matio 5:7.Jereo ny Romana 2:1.Fotopampianarana syFanekempihavanana 64:8.Fotopampianarana syFanekempihavanana 64:10;nampiana fanamafisana.Môsià 5:2.1 Jaona 5:3–4.

Matio 5:44; jereo koa ny andininy45–47.Efesiana 4:32.Jaona 8:7.Galatiana 6:10.Lioka 6:38.Jereo ny Matio 5:39–41.Romana 12:19–21.Jereo ny Matio 5:7.Jaona 13:35.Jereo ny Romana 3:23.

D I E T E R F . U C H T D O R F

155

Page 162: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Isaorana AndriamanitraNataon’ ny Loholona Russell M. NelsonAo amin’ ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifolo

Tena ho tsara kokoa ny zava-miseho raha toa ny olon-drehetra ka tonga saina amin’ ilay hery sy fitiavan’Andriamanitra ary maneho izany fankasitrahana izanyho Azy.

Ry rahalahy sy rahavavy malala, misaotra anareo izahayamin’ ny fanohananareo sy ny fanoloran-tenanareo. Maneho nyfankasitrahanay sy ny fitiavanay anareo tsirairay avy izahay.

Vao haingana izaho sy Rahavavy Nelson no nankafy nyhatsaran’ ny trondro avy amin’ ny faritry ny zanapehintany taoanatin’ ny vatandrano kely iompiana trondro izay an’ olonamanokana. Nilomano haingana sy nivezivezy mandroso symiverina ireo trondro maro loko ary amin’ ny habeny sy endrinysamihafa. Nanontany ilay mpikarakara nijoro tsy lavitra teo ahohoe: “Iza no manome sakafo an’ ireto trondro mahafinaritraireto?”

“Izaho” hoy izy.Dia nanontany aho avy eo hoe: “Efa mba nisaotra anao ve izy

ireo?”“Tsia!” hoy izy.Nieritreritra an’ ireo olona sasantsasany fantatro aho izay toa

tsy mahatsiaro ny Mpahary azy sy ilay tena “mofon’ aina”1 hoazy ireo. Miaina isan’ andro isan’ andro izy ireo, ary tsy mananaeritreritra momba an’ Andriamanitra sy amin’ ny hatsaram-panahiny amin’ izy ireo.

Tena ho tsara kokoa ny zava-miseho raha toa ny olon-drehetra ka tonga saina amin’ ilay hery sy fitiavan’Andriamanitra ary maneho izany fankasitrahana izany ho Azy.Nampianatra i Amôna hoe: “Aoka isika hanolotra fisaorana ho

F I V O R I A N A A L A H A D Y M A R A I N A

156

Page 163: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

an’ [Andriamanitra], fa Izy dia mampihatra fahamarinanamandrakizay.”2 Ny halehiben’ ny fanehoantsika fankasitrahanano handrefesana ny fitiavantsika Azy.

Andriamanitra no rain’ ny fanahintsika.3 Manana vatana nofosy taolana feno voninahitra sy lavorary Izy.4 Niara-niaina Taminytany an-danitra isika talohan’ ny nahaterahantsika.5 Ary rehefanohariany ara-batana isika dia nohariana araka ny endrik’Andriamanitra, ary samy nanana vatana ny tsirairay avy.6

Eritrereto ny zavatra mamelona ny vatantsika. Tenafanomezana avy any an-danitra mihitsy izany. Ny filana rivotra,sakafo, ary rano dia tonga daholo teo amintsika toy nyfanomezana avy amin’ ny Ray any an-danitra be fitiavana.Nohariana ny tany mba hanohanana ny diantsika fohy eto amin’ny fiainana an-tany.7 Isika dia nateraka niaraka tamin’ nyfananana fahafahana hitombo, hitia, hanambady ary hanorinafianakaviana.

Tendrin’ Andriamanitra ny fanambadiana sy nyfianakaviana. Ny fianakaviana no rafitra manan-danja indrindraeto an-tany ary mandrakizay. Ao amin’ ny drafitra lehiben’ nyfahasambaran’ Andriamanitra dia azo fehezina any amin’ nytempoly sy hiomana hiverina hiara-hipetraka eo anatrehanymandrakizay ny fianakaviana. Izany no atao hoe fiainanamandrakizay! Manatanteraka ilay faniriana lalin’ ny zanak’olombelona izany—dia ny faniriana ara-boajanahary mbahiaraka foana amin’ ireo olon-tiana ao amin’ ny fianakaviana.

Tafiditra ao anatin’ ny tanjony masina isika: “Izao no asakosy voninahitro,” Hoy izy, dia “ny manatanteraka ny tsyfahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ ny olona.”8 Mbahahatratrarana izany tanjona izany dia “toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zananilahy Tokana,mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainanamandrakizay.”9 Izany fihetsika izany dia fanehoana amin’ nyfomba masina ny fitiavana an’ Andriamanitra. “Fa tsy nanirakany Zanaka ho amin’ izao tontolo izao [Izy] hanameloka izaotontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao.”10

Ivon’ ny drafitra mandrakizain’ Andriamanitra ny asananirahana ny Zananilahy, Jesoa Kristy.11 Tonga Izy mbahanavotra ny zanak’ Andriamanitra.12 Noho ny Sorompanavotan’

R U S S E L L M . N E L S O N

157

Page 164: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

ny Tompo dia tena misy ny fitsanganana amin’ ny maty (na tsyfahafatesana).13 Noho ny Sorompanavotana dia mananafahafahana hahazo ny fiainana mandrakizay ny rehetra izay homendrika izany. Nanazava i Jesoa hoe:

“Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy,na dia maty aza, dia ho velona indray:

“Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho fatymandrakizay.”14

Noho ny Sorompanavotan’ ny Tompo sy ny fanomezany nyfitsanganana amin’ ny maty—sy noho ity hafatra tena ambonymikasika ny Paska ity—dia isaorana Andriamanitra!

Ireo Fanomezana Ara-batanaTia ny zanany ny Raintsika any an-danitra.15 Nomeny

fanomezana ara-batana sy ara-panahy ny tsirairay. Andeha horesahiko ny karazany tsirairay. Rehefa mihira ny “Zanaky ny Rayaho” ianareo, dia ataovy ao an-tsaina ny fanomezana natolonyanareo izay ny vatanareo manokana. Ireo toetra maro miavakaananan’ ny vatanareo dia maneho ny “toetoetra araka an’Andriamanitra”16 anananareo.

Ny taova tsirairay ao amin’ ny vatanareo dia fanomezanamahagaga avy amin’ Andriamanitra. Ny maso tsirairay diamanana fahafahana mampifantoka ho azy any amin’ izay tokonyhojerena. Ireo hozaketsika sy hozatra dia mifehy ny maso roamba hahazoana sary iray lehibe. Mifandray amin’ ny atidoha ireomaso, izay mirakitra ireo zavatra hita.

Paompy mampitolagaga iray ny fonareo.17 Manana vava-fantsona kely malefaka efatra izany izay mandrindra nyfikorianan’ ny ra. Ireo vava-fantsona ireo dia misokatra sy mihidyin-dray hetsy mahery ao anatin’ ny andro iray—in’ enina ambytelopolo tapitrisa isan-taona. Kanefa raha tsy hoe ovain’ nyaretina mihatra aminy, izy ireo dia afaka mahazaka izany fiasanamafy izany ao anatin’ ny fotoana izay saika tsy voafetra.

Eritrereto ny rafi-piarovan’ ny vatana. Mba hiarovana izanyamin’ ny aretina dia mahatsapa mialoha ny fanaintainana izany.Rehefa tratran’ ny otrikaretina izy dia mamorona hery fiarovanaamin’ izany. Manome fiarovana ny hoditra. Miaro amin’ nyfaharatrana mety ateraky ny hafanana na hatsiaka be loatra izany.

F I V O R I A N A A L A H A D Y M A R A I N A

158

Page 165: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Manavao ho azy ireo sela tsy miasa intsony ny vatana arymandamina ny fatran’ ireo singa manan-danja ilainy.Manasitrana ho azy ireo faritra voadidy sy mangana ary taolanatapaka ny vatana. Ny fahafahany miteraka dia fanomezanamasina iray hafa avy amin’ Andriamanitra.

Tokony ho tsaroantsika fa tsy mitaky vatana tonga lafatra nyfanatratrarana ny tanjona masin’ ny tsirairay. Raha ny marina,ireo fanahy tena tsara sasantsasany dia mitoetra ao amin’ nyvatana malemy na tsy tomombana. Matetika ireo olona mananafahasembanana ara-batana no manana tanjaka lehibe ara-panahy,satria efa tena miatrika fanamby lehibe izy ireo.

Ireo izay mandalina ny fiasan’ ny vatan’ olombelona dia azoantoka fa “efa nahita an’ Andriamanintra mihetsika ao amin’ nyfahandrianany sy ny heriny.”18 Satria tantanan’ ny lalàn’Andriamanitra ny vatana, noho izany izay fahasitranana rehetramitranga dia avy amin’ ny fankatoavana ny lalàna izay ifotoran’izany fitahiana izany.19

Misy tokoa ireo olona izay manana fihevitra diso hoe ireotoetra mahavariana ananan’ ny vatana ireo dia kisendrasendra navokatry ny fipoahan-javatra lehibe iray fahagola tany ho any.Anontanio ny tenananao hoe: “Moa mety hahavitana rakibolanairay ve ny fipoahan’ ny toeram-panontana boky iray?” Tsy hoizany mihitsy no hanampoizana ny zavatra hitranga. Fa raha toyizany kosa anefa ny fisehony dia tsy ho afaka velively hamerinaamin’ ny laoniny izay pejiny rovidrovitra izany na hanatontaboky vaovao hafa indray!

Raha mitohy tsy misy fiafarana ny fahafahan’ ny vatanamiasa araky ny tokony ho izy, miaro, manasitrana, mandaminaary mamorona dia ho mandrakizay ny fiainana ety. Eny, hihitsokaety ambonin’ ny tany isika! Soa ihany fa nampisy ny fahanteranasy ireo lamina hafa izay hiafara amin’ ny fahafatesan’ ny vatanany Mpahary antsika. Ny fahafatesana, tahaka ny fahaterahanadia lafin-javatra iray ao anatin’ ny fiainana. Mampianatra nysoratra masina fa “tsy nilaina ny hamonjena ny olona tamin’izany fahafatesan’ ny vatana izany, satria ho nandrava ny drafitralehiben’ ny fahasambarana izany.”20 Ny fiverenana any amin’Andriamanitra amin’ ny alalan’ ny vavahadin’ ny fahafatesanadia fifaliana ho an’ ireo izay tia Azy sy niomana hihaona Aminy.21

R U S S E L L M . N E L S O N

159

Page 166: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Amin’ ny farany dia ho avy tokoa ny fotoana izay“[hanakambanana] indray ao amin’ ny endriny tomombana nyfanahy sy ny vatana; ny rantsambatana sy ny vanintaolana diasamy haverina amin’ ny tena endriny,”22 ary tsy hosarahanaintsony. Noho ireo fanomezana ara-batana ireo dia isaoranaAndriamanitra!

Ireo Fanomezana Ara-panahyNoho ny maha manan-danja ny vatana dia ampiasaina ho

taberinakelin’ ny fanahy mandrakizain’ ny olona izany. Efa nisyhatrany amin’ ny fiainana talohan’ ny nahaterahana nyfanahintsika23 ary hitohy hiaina aorian’ ny fahafatesan’ nyvatana.24 Mampihetsika sy manome ny toetra maha-izy ny olonairay ny fanahy.25 Eto amin’ ity fiainana ity sy amin’ ny fiainana hoavy, rehefa mitambatra ny fanahy sy ny vatana, dia lasaolombelona iray tena manan-kasina.

Satria zava-dehibe ny fanahin’ ny olona iray dia misy vokanymandrakizay ny fivoarany. Mihamatanjaka izany rehefamifandray ao anatin’ ny vavaka feno fanetren-tena amin’ nyRaintsika any an-danitra be fitiavana.26

Ireo toetra izay hitsarana antsika indray andro any dia ara-panahy daholo.27 Izany dia ahitana ny fitiavana, fahatsaran-toetra, fahamarinan-toetra, famindrampo ary fanompoana nyhafa.28 Rehefa mikambana sy mitoetra ao amin’ ny vatanareo nyfanahinareo dia ho afaka ny hitombo sy haneho ireo toetra ireoamin’ ny fomba izay tena manan-danja tokoa eo amin’ nyfivoaranareo mandrakizay.29 Ny fivoarana ara-panahy dia tratraamin’ ny alalan’ ny dingan’ ny finoana, fibebahana, batisa syfanomezana ny Fanahy Masina, ary faharetana hatramin’ nyfarany, ka ao anatin’ izany ny ôrdônansin’ ny fanafiana masina syfamehezana any amin’ ny tempoly masina.30

Tahaka ny filan’ ny vatana sakafo isan’ andro mbahahavelomany dia ilaina vokisana koa ny fanahy. Vokisana amin’ny fahamarinana mandrakizay ny fanahy. Tamin’ ny taona lasaisika dia nankalaza ny faha-400 taonan’ ny dikan-tenin’ nyBaiboly Masina natao teo ambany fitarihan’ ny Mpanjaka James.Ary efa ho nanana ny Bokin’ i Môrmôna nandritra ny 200 taonalatsaka koa isika izao. Ilay boky iray manontolo na ny ampahanynofantenana avy ao amin’ ny boky dia nadika amin’ ny fiteny

F I V O R I A N A A L A H A D Y M A R A I N A

160

Page 167: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

miisa 107 izao ankehitriny. Noho ireo soratra masina sarobidyireo sy ny hafa dia fantatsika fa Andriamanitra no RaintsikaMandrakizay ary ny Zananilahy, Jesoa Kristy, no Mpamonjy syMpanavotra antsika. Noho ireo fanomezana ara-panahy ireo diaisaorana Andriamanitra!

Ireo Fanomezana avy amin’ ny FilazantsaraFantatsika fa ireo mpaminany nandritra ny

fotoampitantanana maro toa an’ i Adama, Noà, Mosesy, aryAbrahama dia samy nampianatra ny maha-Andriamanitra nyRaintsika any an-danitra sy an’ i Jesoa Kristy, rehefa nisehotamin’ ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ ny 1820 Izy ireo.Naorina ny Fiangonana tamin’ ny 1830. Ankehitriny, 182 taonaaty aoriana dia mbola eo ambanin’ ny fanekempihavanana nyhitondra ny filazantsara ho amin’ ny “firenena, ny foko sy nysamy hafa fiteny ary ny mponina rehetra”31 isika. Rehefa manaoizany isika dia handray fitahiana na ny mpanome na nympandray.

Ny andraikitsika dia ny mampianatra ny zanany sy manaitraazy ireo mba hahatsiaro an’ Andriamanitra. Taloha ela be dianiteny ny Mpanjaka Benjamina hoe:

“Minoa an’ Andriamanitra; minoa fa misy Izy, ary Izy nonahary ny zava-drehetra, na any an-danitra na ety an-tany; minoafa Izy dia manana ny fahendrena rehetra sy ny fahefana rehetra,na any an-danitra na ety an-tany; . . .

“. . . Minoa fa ianareo dia tsy maintsy mibebaka amin’ nyfahotanareo ary mandao izany sy manetry ny tenanareo eoanoloan’ Andriamanitra; ary mangataka amin-kitsim-po mbahamelany anareo; ary ankehitriny, raha mino izany zavatrarehetra izany ianareo dia ezaho izay anaovanareo izany.”32

Andriamanitra dia tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay,fa isika kosa dia miova. Ny fanamby atrehantsika isan’ andro diany manao izay ahazoana ny herin’ ny Sorompanavotana mbahahafahantsika tena miova, ho tonga bebe kokoa tahaka an’ iKristy, ary ho mendrika ny fanomezan’ ny fisandratana sy hiainamandrakizay hiaraka amin’ Andriamanitra, sy i Jesoa Kristy aryny fianakaviantsika.33 Noho ireo hery, sy tombontsoa aryfanomezana avy amin’ ny filazantsara ireo dia isaoranaAndriamanitra!

R U S S E L L M . N E L S O N

161

Page 168: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

1.

2.3.

4.

5.

6.

7.8.9.

10.11.

12.13.14.15.16.17.

18.

19.

20.21.

22.

23.

24.25.

26.27.

28.

29.

Mijoro ho vavolombelona aho fa velona Izy, i Jesoa no ilayKristy, ary ity no Fiangonany, izay naverina amin’ izao androfarany izao mba hanatanterahana ny tanjony masina. Tarihin’ nyFiloha Thomas S. Monson isika ankehitriny, izay tiantsika sytohanantsika amin’ ny fontsika manontolo, tahaka nyhanohanantsika ireo mpanolotsainy sy ireo ApôstôlyRoambinifololahy ho mpaminany, mpahita ary mpanambaraihany koa. Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

FanamarihanaJaona 6:35, 48; jereo koa nyandininy 51.Almà 26:8; jereo koa ny Almà 7:23.Jereo ny Asan’ ny Apôstôly17:27–29.Jereo ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 130:22.Jereo ny Mosesy 6:51; Romana 8:16;Hebreo 12:9; Jeremia 1:4–5.Jereo ny Genesisy 2:7; 1 Korintiana15:44; Mosesy 3:7.Jereo ny 1 Nefia 17:36.Mosesy 1:39.Jaona 3:16.Jaona 3:17.Ireo tanjony dia voafintina fohifohyao amin’ ny 3 Nefia 27:13–22.Jereo ny Almà 11:40.Jereo ny 2 Nefia 9:6–7, 20–22.Jaona 11:25–26.Jereo ny 1 Nefia 17:40; 1 Jaona 4:10.2 Petera 1:4.Mampiditra sy mamoaka 7.570litatra isan’ andro ny fo.Fotopampianarana syFanekempihavanana 88:47.Jereo ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 130:21. Tenamarina tsy azo ihodivirana izanylalàn’ Andriamanitra izany.Almà 42:8.Naneho ny fomba fijeriny mikasikaNy Andriamanitra ireo mpahaySalamo: “Zava-dehibe eo imason’ iJehovah ny fahafatesan’ ny olony

masina” (Salamo 116:15); jereo koany Mpitoriteny 12:7.Almà 11:43; jereo koa nyMpitoriteny 12:7; Almà 40:23;Fotopampianarana syFanekempihavanana 138:17.Jereo ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 93:38.Jereo ny Almà 40:11; Abraham 3:18.Ny fanahin’ ny olona dia araka nybika aman’ endrik’ izany olonaizany (Jereo ny Fotopampianaranasy Fanekempihavanana 77:2).Jereo ny 3 Nefia 14:9–11.Ny fanahy, fa tsy ny vatana akory,no ampahany miasa sy tompon’andraikitra ao amin’ nyolombelona. Fa maty ny tena, rahatsy misy fanahy (jereo ny Jakoba2:26). Ny fanahy, noho izany nomisafidy ny tsara na ny ratsy aryho raisina ho tompon’ andraikitraamin’ ireo toetra tsara sy ratsy izayananany amin’ ny fitsarana farany(jereo ny Almà 41:3–7).Ny toetra ara-panahy dia ahitana“finoana, ny fahatsaran-toetra, nyfahalalana, ny fahononam-po, nyfaharetana, ny fifankatiavan’ nympirahalahy, ny toetra araka an’Andriamanitra, ny fiantrana, nyfanetren-tena ary ny zotom-po”(Fotopampianarana syFanekempihavanana 4:6).Jereo ny 2 Nefia 2:11–16, 21–26;Môrônia 10:33–34.

F I V O R I A N A A L A H A D Y M A R A I N A

162

Page 169: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

30.

31.

32.

33.Ity no fotopampianaran’ i Kristy(jereo ny 2 Nefia 31:11–21).Môsià 15:28; jereo koa ny 1 Nefia19:17; 2 Nefia 26:13; Môsià 3:20;15:28; 16:1; Almà 37:4;Fotopampiananarana syFanekempihavanana 1:18–23; 77:11;133:37.Môsià 4:9–10.

“Ny fiainana mandrakizay . . . nofanomezana lehibe indrindra avyamin’ Andriamanitra”(Fotopampianarana syFanekempihavanana 14:7).

R U S S E L L M . N E L S O N

163

Page 170: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Lesona MiavakaNataon’ ny Loholona Ronald A. RasbandAo amin’ ny Fiadidian’ ny Fitopololahy

Ny fanantenako sy ny vavaka ataoko dia mbahanohizantsika hizaka amim-boninahitra ny enta-mavesatsika ary hanolorantsika fanampiana ireomanodidina antsika izay mijaly.

Nandritra izay 20 volana lasa izay dia voatahy manokana nyfianakavianay noho ny fanananay zazakely miavaka iray.

I Paxton kely, zafikelinay lahy, dia manana aretina tsy fahitafiry hatrany ambohoka vokatry ny fahabangana eo amin’ nychromosome iray, izay aretina “génétique” izay nampiavaka azytokoa ara-bakiteny satria iray ao anatin’ ny an-jaton’ ny tapitrisany fitrangan’ izany. Ho an’ ny zanako vavy sy ny vadiny,hatramin’ ny nahaterahan’ i Paxton dia nanomboka teo ny diairay tsy nampoizina sady nanova tanteraka ny fiainana. Izanytoe-javatra niainana izany dia lasa fitsapana sarotra izaynianarana lesona miavaka maro misy ifandraisany amin’ nymandrakizay.

Ny Loholona Russell M. Nelson Malala izay vao niresakatamintsika teo dia nampianatra hoe:

“Noho ny antony izay tsy fantatra dia misy olonasasantsasany manana olana ara-batana hatramin’ nyfahaterahana. Mety tsy ho tomombana ny ampahany sasanyamin’ ny vatana. Mety tsy mirindra tsara ny fiasan’ ny rafitrasasany ao amin’ ny vatana. Ary samy iharan’ ny aretina syfahafatesana ny vatantsika rehetra. Na izany aza anefa diafanomezana tsy voavidim-bola ny vatana. . . .

“Tsy mitaky vatana tonga lafatra ny fanatratrarana ny anjarahitovy amin’ Andriamanitra. Raha ny marina, ny sasantsasany

F I V O R I A N A A L A H A D Y M A R A I N A

164

Page 171: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

amin’ ireo fanahy tsara indrindra dia mitoetra ao amin’ ny vatanamalemy na tsy tomombana. . . .

“Ho avy tokoa ny fotoana izay ‘[hanakambanana] indray aoamin’ ny endriny tomombana ny fanahy sy ny vatana; nyrantsambatana sy ny vanintaolana dia samy haverina amin’ nytena endriny,’ (Alma 11:43). Ary noho ny Sorompanavotan’ iJesoa Kristy dia ho tanteraka ao Aminy isika.”1

Ho anareo rehetra izay miatrika fanamby, olana, fahadisoam-panantenana na alahelo noho ny mahazo ireo olon-tiana, diatsarovy fantaro izao: tia an’ ireo olona iharan’ ny fanaintainanaamin’ ny fitiavana tsy manam-petra sy fangorahana mandrakizayAndriamanitra Raintsika any an-danitra, ary tia anareo ihanykoa!

Mety hanontany tena ireo izay iharan’ izany fanaintainanaizany hoe: nahoana no mamela izao zavatra izao hitrangaAndriamanitra Tsitoha? Ary hanaraka ho azy avy eo ilayfanontaniana tsy maintsy hapetraka manao hoe: nahoana nomitranga amiko izao? Nahoana isika no tsy maintsy miainaaretina sy zava-mitranga izay mankarary na mahafaty mialohaireo olona sarobidy ao amin’ ny fianakaviana na mamela azy ireohijalijaly mandritra ny taona maro? Nahoana no misy alahelo toyizany?

Mandritra izany fotoana izany dia afaka mitodika amin’ ilaydrafitra lehiben’ ny fahasambarana nataon’ ny Raintsika any an-danitra isika. Izany drafitra izany, rehefa nampahafantarinaantsika nandritra ny fiainana talohan’ ny fiainana an-tany, diananosika antsika rehetra hihobim-pifaliana.2 Raha lazaina amin’ny fomba tsotra dia fotoana fiofanana ho amin’ ny fisandratanamandrakizay ity fiainana ity, ary izany dingana izany dia midikahoe fitsapana sy fisedrana izany. Efa toy izany hatrany izany arytsy misy olona afa-miala amin’ izany.

Ny fametraham-pitokisana amin’ Andriamanitra dia zava-dehibe eo amin’ ny fiainantsika eto an-tany. Mandray ny herin’ny Sorompanavotan’ i Kristy isika rehefa manana finoana Aminymandritra ireo fotoana mampisy fanontaniana maro sy mahakelyny valiny ireo.

R O N A L D A . R A S B A N D

165

Page 172: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Taorian’ ny Fitsanganany tamin’ ny maty, rehefa nitsidika an’i Amerika ny Mpamonjy antsika, Jesoa Kristy, dia nandroso ityfanasana ity ho an’ ny olon-drehetra:

“Moa va ianareo manana ireo izay marary eo anivonareo?Ento aty ireo. Moa va ianareo manana ireo izay malemy, najamba, na mandringa, na kilemaina, na boka, na izay maina, naizay marenina, na izay ory na manao ahoana na manao ahoanaizany? Ento aty izy dia hositraniko, fa manana fangorahanaanareo Aho; ny kiboko dia feno famindram-po. . . .

“Ary ny zava-nitranga, rehefa avy niteny toy izany Izy, dianiara-nientana ny valalabemandry iray manontolo, nandrosoniaraka tamin’ ny marariny sy ny oriny ary ny maleminy, aryniaraka tamin’ ny jambany, ary niaraka tamin’ ny mareniny sytamin’ ireo izay nijaly na manao ahoana na manao ahoana izany;ary nositraniny ny tsirairay avy taminy arakaraka ny nitondranaazy teo anoloany.”3

Misy tanjaka lehibe azo avy amin’ ilay teny hoe: “nyvalalabemandry iray manontolo . . . dia nandroso”—iraymanontolo, ry rahalahy sy rahavavy. Miatrika fanamby isikarehetra. Ary ilay andian-teny hoe: “izay nijaly na manao ahoanana manao ahoana izany.” Moa tsy milaza momba antsika rehetrava izany?

Fotoana fohy taorian’ ny nahaterahan’ i Paxton kely diafantatray fa hitahy anay sy hampianatra anay lesona miavaka nyRay any an-danitra. Rehefa nametraka ny tananay teo ambonin’ny lohany kely ny rainy sy ny tenako mba handraisany nyvoalohany amin’ ireo tsodranon’ ny fisoronana maro dia tongatao an-tsaiko ireo teny ao amin’ ny toko faha-9 ao amin’ ny bokin’i Jaona dia: “ny hanehoana ny asan’ Andriamanitra eo aminy.”4

Tena naseho tamin’ ny alalan’ i Paxton tokoa ny asan’Andriamanitra.

Mianatra faharetana, sy finoana ary fankasitrahana izahayamin’ ny alalan’ ny hery mampitonin’ ny asa fanompoana, amin’ny alalan’ ireo ora tsy manam-petra niainana fiontanam-pomahery vaika, ny ranomasom-pangorahana, ary ireo vavaka syfanehoam-pitiavana ho an’ ireo olon-tiana mila fikarakaranamanokana, indrindra ho an’ i Paxton sy ny ray aman-dreniny.

F I V O R I A N A A L A H A D Y M A R A I N A

166

Page 173: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Nilaza ny Filoha James E. Faust, izay filohan’ ny tsatòkakofony aho zatovolahikely hoe: “Izaho dia mankasitraka ireo rayaman-dreny be fitiavana izay mizaka mafy sy mandresy nytebitebiny sy ny alahelony noho ny zanaka iray izay terakaniaraka tamin’ ny fananana olana lehibe ara-tsaina nafahasembanana ara-batana. Izany tebiteby izany matetika diamitohy isan’ andro isan’ andro, mandritra ny androm-piainan’ireo ray aman-dreny na ilay zaza mihitsy. Matetika aza ireo rayaman-dreny dia tsy maintsy manome fikarakarana goavana izaytsy misy fiafarana mihitsy, na andro na amin’ ny alina. Maro ireoreny no mifofotra mafy ara-batana sy ara-pihetsehampomandritra ny taona maro, manamaivana ny fanaintainana izaymihatra eo amin’ ilay zanany mila fanampiana manokana.”5

Araky namaritan’ i Môsià azy dia nanatri-maso ny fitiavanamadion’ ny Mpamonjy izay natolotra ho an’ ny fianakavian’ iPaxton izahay, fitiavana izay natao ho an’ ny olon-drehetra: “Aryankehitriny ny zava-nitranga dia nohamaivanina ny enta-mavesatra izay nampitondraina an’ i Alma sy ny rahalahiny; eny,nampahatanjaka azy ny Tompo mba hahafahany mitondra morafoana ny enta-mavesany, ary izy dia nanaiky tamim-pifaliana sytamim-paharetana ny sitrapon’ ny Tompo rehetra.”6

Indray alina tamin’ ny voalohandohan’ ny nahaterahan’ iPaxton, raha tao amin’ ny sampan-draharaha fameloman’ aina nyzaza vao teraka iny izahay tao amin’ ilay Foibe mahafinaritraFitsaboana ireo Zaza Madinika tao Salt Lake City, Utah, diavariana izahay tamin’ ireo fanoloran-tena sy fikarakarana tsy an-kijanona natolotr’ ireo mpitsabo, mpanampy mpitsabo arympikarakara. Nanontany ny zanako vavy aho hoe ahoana noahafahantsika mandoa ny vola saran’ izao ary diananombantombana ny saran’ izany aho. Nilaza ny dokotera iraynijoro teo akaikaiky teo fa “ambany loatra” ny tombantombananataoko ary ny fitsaboana an’ i Paxton kely raha ny marina diamihoatra noho ny tombantombako. Teo no nahafantaranay fa nyankamaroan’ ireo sarany naloa tao amin’ io hôpitaly io dia efavoaloa avy amin’ ireo fanomezana fotoana sy vola tamim-pahalalahana nataon’ ny hafa. Nampanetry tena ahy ny tenynolazainy teo am-pisaintsainako ny hasarobidin’ ity fanahy kelyity ho an’ ireo izay miahy azy fatratra.

R O N A L D A . R A S B A N D

167

Page 174: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Nahatsiaro ilay soratra masina mahazatra ireo misiônera ahoizay lasa nisy dikany vaovao tamiko: “Tadidio fa lehibe nyhasarobidin’ ny olona eo imason’ Andriamanitra.”7

Nitomany aho teo am-pisaintsainana ny fitiavana tsy manam-petran’ ny Raintsika any an-danitra sy ny Zanakalahiny, JesoaKristy, ho antsika tsirairay avy, teo am-pianarana tamin’ nyfomba mahery vaika ny hasarobidin’ ny fanahy, ara-batana syara-panahy, eo imason’ Andriamanitra.

Nahafantatra ny fianakavian’ i Paxton fa voahodidin’ nyanjely mpanompo avy any an-danitra sy teto an-tany tsy tamboisaina izy ireo. Ao ny sasany izay tonga moramora rehefa ilainaary nandeha tsy an-kiteniteny. Ao ireo hafa izay manatitra sakafoeo am-baravarana, manasa ny lamba, maka ireo mpiray tampoavy any am-pianarana, miantso mba hankahery ary indrindranivavaka ho an’ i Paxton. Teo dia lesona iray hafa miavaka koano nianarana: Raha sendra olona izay lasan’ ny rano ianao, moave ianao hanontany raha mila fanampiana izy—sa tsara kokoaraha tonga dia hitsoraka anaty rano ianao ary hanavotra azy ireoao anatin’ izany rano lalina be izany? Na dia avy amin’ ny fo syatao matetika aza ilay filazana hoe: “Lazao raha misy azokohanampiana” dia tsy fanampiana mihitsy.

Manohy mianatra ny lanjan’ ny fieritreretana sy fahaliananamikasika ny fiainan’ ireo manodidina antsika isika, ka tsymianatra ny lanjan’ ny fanampiana fotsiny fa ny fifaliana lehibetsapa azo avy amin’ ny fanampiana ny hafa koa.

Ny Filoha Thomas S. Monson Malala, izay ohatra tenamahafinaritra eo amin’ ny fampitrakana ireo olona trotraka, dianilaza hoe: “Andriamanitra dia mitahy ireo rehetra izay miezakany manampy ny mpiara-belona aminy, manome zavatra mbahanamaivanana ny fijaliana, miezaka manao ny tsara rehetra avyao aminy mba hananana tany tsaratsara kokoa. Moa tsytsikaritrareo ve fa manana tsiky miavaka ny olona tahaka izany?Manana fahatokiana sy fiainana milamina izy ireo. Toa faly syafa-po hatrany izy ireo, satria tsy misy olona mandray anjaraamin’ ny fanampiana ny hafa ka tsy hahazo fitahiana feno ho an’ny tenany.”8

Na dia miatrika fitsapana, fizahan-toetra, fahasembanana,alahelo, ary karazam-pijaliana hafa aza isika dia eo hatrany ilay

F I V O R I A N A A L A H A D Y M A R A I N A

168

Page 175: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

1.

2.3.4.5.

6.

7.

8.

9.10.

Mpamonjy antsika izay miahy sy be fitiavana. Nampanantena Izyhoe:

“Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankaty aminareoAho. . . .

“Ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen’ izaotontolo izao no fanomeko anareo. [Aza malahelo ny fonareo, azamatahotra].”9

Tena feno fankasitrahana ny Raintsika any an-danitra izahayamin’ ilay Paxton mahatalanjona anay. Nampiseho ny asanytamin’ ny alalany tokoa ny Tompo ary manohy mampianatraanay lesona manan-danja, sy masina ary miavaka.

Tiako ny hamarana ny teniko amin’ ny tonon’ ity fihiranairay izay tena tiako ity:

Mirotsaka amin’ ity ady ity ny rehetra;Faly isika! Faly tokoa!Ry tafika, misy satro-boninahitra miandry antsika any;Handresy isika ary hanao izany.10

Ry rahalahy sy rahavavy, ny fanantenako sy ny vavakaataoko dia ny mba hanohizantsika hizaka amim-boninahitra nyenta-mavesatsika ary hanolorantsika fanampiana an’ ireomanodidina antsika izay mijaly sy mila fikarakarana syfankaherezana. Enga anie isika hisaotra an’ Andriamanitra amin’ireo fitahiany sy hanavao ny fanoloran-tenantsika amin’ nyRaintsika any an-danitra, mba hanompo amim-panetren-tena ireozanany. Amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.

FanamarihanaRussell M. Nelson, “We AreChildren of God,” Liahona, Jan.1999, 103.Jereo ny Joba 38:7.3 Nefia 17:7, 9.Jaona 9:3.James E. Faust, “The Works ofGod,” Ensign, Nôv. 1984, 54.Mosià 24:15.

Fotopampianarana syFanekempihavanana 18:10.Thomas S. Monson, “Our Brothers’Keepers,” Ensign, Jiona 1998, 39.Jaona 14:18, 27.“Nous voici tous enrôlés,”Cantiques, no. 161.

R O N A L D A . R A S B A N D

169

Page 176: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Ny Fahitan’ ireoMpaminany mikasika nyFikambanana Ifanampiana:Finoana, Fianakaviana,FanampianaNataon’ i Julie B. BeckFilohan’ ny Fikambanana Ifanampiana Maneran-tany Vao Nisaorana

Finoana, fianakaviana, ary fanampiana—ireo tenytsotra telo ireo dia lasa maneho ny fahitan’ ireompaminany mikasika an’ ireo rahavavy ao amin’ nyFiangonana.

Tao anatin’ izay taona vitsivitsy lasa izay dia natosiky nyFanahy hiresaka matetika momba ny Fikambanana Ifanampianaaho—ireo tanjony, ireo toetra mampiavaka azy1, ny lanjan’ nytantarany,2 ny asany, ny fiarahany miasa amin’ ireo eveka sy ireokôlejin’ ny Fisoronana Melkizedeka.3 Toa zava-dehibeankehitriny ny hifantohana kely amin’ ny fahitan’ ireompaminany ny Fikambanana Ifanampiana.4

Toy ny nampianaran’ ireo mpaminanin’ ny Tompo an’ ireoloholona sy ireo mpisorona avo mikasika ny tanjony sy ny adidydia nizara ny fahitan’ izy ireo mikasika ny FikambananaIfanampiana izy ireo. Raha jerena ny torohevitra nomen’ izy ireodia mazava fa ny tanjon’ ny Fikambanana Ifanampiana dia nyhampitombo ny finoana sy ny fahamarinan-toetran’ ny tenamanokana, hanamafy orina ny fianakaviana sy ny tokantrano aryhitady sy hanampy an’ ireo izay mila fanampiana. Finoana,fianakaviana, ary fanampiana—ireo teny tsotra telo ireo dia lasa

F I V O R I A N A A L A H A D Y M A R A I N A

170

Page 177: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

maneho ny fahitan’ ireo mpaminany mikasika an’ ireo rahavavyao amin’ ny Fiangonana.

Nanomboka tamin’ ny Famerenana tamin’ ny laoniny, dianozarain’ ireo mpaminany ny fahitan’ izy ireo vehivavymatanjaka sy mahatoky ary manana tanjona, izay mahatakatra nylanjany sy ny tanjony mandrakizay. Rehefa nanorina nyFikambanana Ifanampiana ny Mpaminany Joseph Smith, dianomeny torolalana ny filohan’ izany voalohany mba “hiahy ilayfikambanana amin’ ny alalan’ ny fikarakarana nymahantra—hikarakara izay ilainy, ary hisahana ireo raharahaisan-karazany ao anatin’ ilay fikambanana.”5 Ilay fikambananadia nalainy sary an-tsaina ho toy ny “fikambanana miavaka izaymanalavitra ny faharatsiana rehetran’ izao tontolo izao.”6

I Brigham Young, izay Filohan’ ny Fiangonana faharoa diananome torolalana ny mpanolotsainy sy ny Kôlejin’ ny ApôstôlyRoambinifolo mba hitarika ireo eveka “hamela [ireo rahavavy]hanorina Fikambanana Ifanampiana ho an’ ny Vehivavy anyamin’ ny paroasy maro.” Nanampy izy hoe: “Mety hisyhieritrerira hoe zavatra tsy manan-danja izany saingy tsy izanyvelively.”7

Taty aoriana dia nilaza ny Filoha Joseph F. Smith fa nyFikambanana Ifanampiana izay “avy amin’ Andriamanitra synahazo alalana avy amin’ Andriamanitra ary naorin’Andriamanitra sy tendrin’ Andriamantira”8 dia mifanohitraamin’ ny fikambanan’ izao tontolo izao izay “naorin’ ny lehilahyna naorin’ ny vehivavy.” Ny Filoha Joseph Fielding Smith dianilaza tamin’ ireo rahavavy fa izy ireo dia “nomena hery syfahefana hanao zavatra lehibe maro.”9 Hoy izy hoe: “Ianareo diampikambana ao amin’ ny fikambanam-behivavy lehibe indrindraeto amin’ izao tontolo izao. Izany fikambanana izany diaampahan-javatra tena lehibe ao anatin’ ny fanjakan’Andriamanitra eto an-tany ary naorina sy nampiasaina amin’ nyfomba iray mba hanampiana ireo mpikambana mahatoky hahazony fiainana mandrakizay any amin’ ny fanjakan’ ny Raintsika.”10

Hery Mitarika izay MivelatraIsan-taona dia rahavavy sy zatovovavy an’ arivony no lasa

tafiditra ao anatin’ izany “fiaraha-monin’ ny vehivavy” izay tsymitsahatra mitombo izany.11 Aorian’ izany dia na aiza na aiza

J U L I E B . B E C K

171

Page 178: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

ipetrahan’ ny rahavavy iray ary na aiza na aiza toeranahanompoany dia mitoetra ho mpikambana sy mandray anjarafoana ao amin’ ny Fikambanana Ifanampiana izy.12 Noho nytanjona manan-danjan’ ny Fikambanana Ifanampiana dia nanehony faniriany mba hanombohan’ ireo zatovovavy ny fiomananyhiditra ao amin’ ny Fikambanana Ifanampiana mialoha lavitra nyhahafeno azy ireo 18 taona ny Fiadidiana Voalohany.13

Ny Fikambanana Ifanampiana dia tsy fandaharan’ asa iray.Ampahany ôfisialy iray ao anatin’ ny Fiangonan’ ny Tompoizany, izay “notendren’ Andriamanitra” mba hampianatra syhanentana ny fanahin’ ireo rahavavy hanatanteraka ny tanjonymikasika ny finoana sy ny fianakaviana ary ny fanampiana. NyFikambanana Ifanampiana dia fomba fiainana ho an’ nyvehivavy Olomasin’ ny Andro Farany ary ny hery mitarika aoanatiny dia mihoatra lavitra ny fotoam-pianarana Alahady na nyfiaraha-mientana. Izany dia manaraka ny lamin’ ireo mpianatravehivavy izay nanompo an’ i Jesoa Kristy Tompo sy nyApôstôliny tao anatin’ ny Fiangonany Fahiny.14 Nampianarinaisika fa “adidin’ ny vehivavy iray ny mampiditra ao anatin’ nyfiainany ireo soatoavina izay voizina ao amin’ ny FikambananaIfanampiana toy ny maha adidy ho an’ ny lehilahy nymampiditra ao anatin’ ny fiainany ireo karazan-toetra izayvoizina ao anatin’ ny fisoronana.”15

Rehefa nanorina ny Fikambanana Ifanampiana nyMpaminany Joseph Smith dia nampianatra an’ ireo rahavavy izyfa izy ireo dia natao “hanampy ny mahantra” sy “hamonjyfanahy.”16 Ao anatin’ ilay andraikitr’ izy ireo “hamonjy fanahy,”dia nomena alalana ireo rahavavy mba hanorina vondrona iraylehibe misy hery mitarika ary handray anjara ao anatin’ izany. Nyfilohan’ ny Fikambanana Ifanampiana voalohany dia natokanamba hamelabelatra ny soratra masina ary ny FikambananaIfanampiana dia mbola mitazona andraikitra manan-danja eoamin’ ny fampianarana ao amin’ ny Fiangonan’ ny Tompo.Rehefa nolazain’ i Joseph Smith ireo rahavavy fa ny FikambananaIfanampiana dia hanomana azy ireo hahazo “ireo tombontsoa syfitahiana ary fanomezana avy amin’ ny fisoronana,”17 dianisokatra ho azy ireo ny asa famonjen’ ny Tompo. Ny famonjenafanahy dia ahitana ny fizarana ny filazantsara sy ny fandraisana

F I V O R I A N A A L A H A D Y M A R A I N A

172

Page 179: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

anjara amin’ ny asa fitoriana. Izany dia ahitana ny firotsahanaamin’ ny asa atao any amin’ ny tempoly sy ny asa mikasika nytantaran’ ny fianakaviana. Izany dia ahitana ny fanaovana izayzavatra rehetra azo atao mba hizakan-tena ara-panahy sy ara-nofo.

Ny Loholona John A. Widtsoe dia nanambara fa nyFikambanana Ifanampiana dia “manamaivana ny fahantrana,manamaivana ny aretina, manamaivana ny ahiahy arymanamaivana ny tsy fahalalana—manamaivana an’ ireo zavatrarehetra izay manakantsakana ny fifalian’ ny vehivavy sy nyfivoarany. Tena asa mahafinaritra izany!”18

Ny Filoha Boyd K. Packer dia nampitaha ny FikambananaIfanampiana amin’ ny “rindrina miaro iray.”19 Ilay andraikitramba hiaro ireo rahavavy sy ny fianakaviany dia mampitombo nylanjan’ ny fikarakarana sy ny fanompoana ao anatin’ nyfamangiana isan-tokantrano ary izany dia fampisehoana nyfahavononantsika hahatsiaro ireo fanekempihavanana izaynataontsika tamin’ ny Tompo. Amin’ ny maha-“mpikarakara nysahirana sy ny marofy” antsika dia miara-miasa tsara amin’ nyeveka isika mba hikarakarana ireo zavatra ara-nofo sy ara-panahy ilain’ ireo Olomasina.20

Hoy ny Filoha Spencer W. Kimball hoe: “Maro ireo rahavavyno misaringo-borodamba— misaringo-borodamba ara-panahy.Tokony hanana akanjo lava tsara tarehy izy ireo, akanjo lava ara-panahy. . . . Tombontsoa ho antsika ny mandeha any amin’ ireotokantrano, dia manolo an’ ireo vorodamba amin’ ny akanjolava.”21 Nizara ity fomba fahitan-javatra ity ny Filoha Harold B.Lee. Hoy izy hoe: “Tsy hitanareo ve ny antony nanomezan’ nyTompo andraikitra ny Fikambanana Ifanampiana mba hamangyan’ ireo tokantrano ireo? Satria ankoatry ny Mpamonjy dia tsymisy afa-tsy izy ireo ato amin’ ny Fiangonana izay mananahatsaram-panahy mahasarika bebe kokoa sy mananafahatakarana an-tsaina an’ izay miseho ao am-po sy izay misehoeo amin’ ny fiainan’ ireo olona tsirairay ireo.”22

Ny Filoha Joseph F. Smith dia nampitandrina an’ ireorahavavy ao amin’ ny Fikambanana Ifanampiana sy ireompitarika azy ireo rehefa nilaza fa izy dia tsy te “hahita mihitsyfotoana hoe ireo ao anatin’ ny Fikambanana Ifanampiantsika dia

J U L I E B . B E C K

173

Page 180: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

hanara-drenirano na hifangaroharo amin’ ny hafa na tsy hananany maha izy azy amin’ ny alalan’ ny fifangarongaroana amin’ireo . . . fikambanana naorim-behivavy.” Izy dia nanantena an’ireo rahavavy “mba hitarika an’ izao tontolo izao ary . . .indrindra indrindra ireo vehivavin’ izao tontolo izao any amin’izay zavatra rehetra izay mendrim-piderana, izay zavatra rehetramifanaraka amin’ ny sitrapon’ Andriamanitra, izay zavatrarehetra manome hery sy manadio ny zanak’ olombelona.”23 Nytoroheviny dia manamafy ilay adidy miompana amin’ nyfanesorana ao anatin’ ny Fikambanana Ifanampiana ireo fomban-drazana, lohahevitra sy fanarahana ny fankafizana zava-baovaon’izao tontolo izao sy ny zavatra ironan’ ny fiaraha-monina arymampiditra ireo fomba fanao izay mifanaraka amin’ ny tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana.

Ireo mpitarika izay mikatsaka fanambarana dia manomeantoka fa ny fivoriana rehetra, ny lesona rehetra, nyfampianarana rehetra, ny fiaraha-mientana rehetra ary ny ezakarehetra ao amin’ ny Fikambanana Ifanampiana diamanatanteraka ireo tanjona nanorenana an’ izany. Ilayfifaneraserana sy finamanana ary firaisan-kina iriantsika dia hovokatra tsara avy amin’ ny fiarahantsika manompo amin’ nyTompo ao anatin’ ny asany.

Manatontosa ny Fahitan’ ireo MpaminanyNy Filoha Thomas S. Monson sy ireo mpanolotsainy, vao

haingana, dia nijoro ho vavolombelona “fa ny Tompo dianamerina tamin’ ny laoniny ny fahafenoan’ ny filazantsara tamin’ny alalan’ ny Mpaminany Joseph Smith ary ny FikambananaIfanampiana dia ampahan-javatra manan-danja ao anatin’ izanyfamerenana amin’ ny laoniny izany.” Ho porofon’ ny fanirian’ izyireo mba hiarovana ilay “lova lehiben’ ny” FikambananaIfanampiana dia vao haingana ny Fiadidiana Voalohany nonamoaka sy nampiely nanerana an’ izao tontolo izao ny bokyFilles dans mon Royaume: L’ histoire et l’ oeuvre de la Société deSecours. Ao anatin’ ireo pejin’ ireo boky ireo isika dia afakamahita ireo lamina sy ohatra mikasika ny fiaraha-miasan’ nyrahavavy sy rahalahy ao anatin’ ny fianakaviana sy nyFiangonana, ary afaka mianatra ireo fitsipika momba ny hoe izamoa isika, inona no inoantsika ary inona no tokony harovantsika.

F I V O R I A N A A L A H A D Y M A R A I N A

174

Page 181: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Namporisihan’ ny Fiadidiana Voalohany isika mba handalinaizany boky manan-danja izany ary “hamela an’ ireofahamarinana tsy manam-petra sy ohatra manentana ny fanahyao anatiny mba hitarika ny fiainan[tsika].”24

Rehefa mifanaraka kokoa amin’ ireo tanjon’ ny FikambananaIfanampiana ny toetran’ ireo rahavavy, dia ho tanteraka nyfahitan’ ireo mpaminany. Hoy ny Filoha Kimball hoe: “Misy heryao anatin’ ity rafitry ny [Fikambanana Ifanampiana] ity izay tsymbola nampiasaina tanteraka mba hanamafisan’ orina nytokantranon’ i Ziona sy hanorenana ny Fanjakan’Andriamanitra—ary tsy ho ampiasaina tanteraka izany raha tsyefa samy mahatakatra ny hery ananan’ ny FikambananaIfanampiana ireo rahavavy sy ny fisoronana.”25 Naminany izy fa“ny ankamaroan’ ny firoboroboana lehibe izay hitranga ao amin’ny Fiangonana amin’ ny andro farany dia hitranga satria ho marodia maro amin’ ireo vehivavy tsara eto amin’ izao tontolo izao(izay ahitana toetra tsara ara-panahy foana any anatiny) no hovoasarika ho mpikamban’ ny Fiangonana. Izany dia hitranga aryho tonga hatrany amin’ ny hoe ireo vehivavin’ ny Fiangonana . . .dia hita fa miavaka sy samy hafa—amin’ ny vehivavin’ izaotontolo izao—amin’ ny fomba mahafaly.”26

Feno fankasitrahana noho ny fahitan’ ireo mpaminanymikasika ny Fikambanana Ifanampiana aho. Izaho toa ny FilohaGordon B. Hinckley, “dia resy lahatra fa tsy misy fikambananahafa na aiza na aiza izay mitovy amin’ ity FikambananaIfanampian’ ny Fiangonana ity.”27 Andraikitsika ankehitriny nymampifanaraka ny toetrantsika amin’ ny fahitan’ ireompaminany mikasika ny Fikambanana Ifanampiana rehefamikatsaka ny hampitombo ny finoana sy hanamafy orina nyfianakaviana ary hanome fanampiana isika.

Faranako amin’ ny tenin’ ny Filoha Lorenzo Snow izany izaymanao hoe: “Feno fampanantenana ny hoavin’ ny Fikambanana[Ifanampiana]. Rehefa mitombo ny Fiangonana dia hivelatratorak’ izany koa ny filana azy ary hitondra soa bebe kokoa azaizany noho ny teo aloha.”28 Hoy izy tamin’ ireo rahavavy izaymanampy amin’ ny fampandrosoana ny fanjakan’ Andriamanitrahoe: “Satria nandray anjara tamin’ ity asa ity ianareo dia azoantoka fa hahazo anjara amin’ ny fahombiazan’ ity asa ity ianareo

J U L I E B . B E C K

175

Page 182: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

1.

2.

3.

4.

5.

6.

7.

8.

9.

10.

11.

12.

13.

14.

15.

16.

17.

18.

19.

20.

21.

22.

23.

24.

25.

26.

sy hahazo anjara amin’ ny fisandratana sy ny voninahitra izayhomen’ ny Tompo an’ ireo zanany mahatoky.”29 Izany fahitanaizany koa no ijoroako ho vavolombelona amin’ ny anaran’ i JesoaKristy, amena.

FanamarihanaJereo ny Julie B. Beck, “Fulfillingthe Purpose of Relief Society,”Liahona, Nôv. 2008, 108–11.Jereo ny Julie B. Beck, BYUWomen’s Conference address (Apr.29, 2011), http://ce.byu.edu/cw/womensconference/archive/2011/pdf/JulieB_openingS.pdf; Julie B.Beck, “What I Hope MyGranddaughters (and Grandsons)Will Understand about ReliefSociety,” Liahona, Nôv. 2011, 109–13;Julie B. Beck, “Relief Society: ASacred Work,” Liahona, Nov. 2009,110–14.Jereo ny Julie B. Beck, “Why WeAre Organized into Quorums andRelief Societies” (lahateny nataonandritra ny fivoriam-bavaka taoamin’ ny Brigham YoungUniversity, 17 Jan 2012),speeches.byu.edu.Ity hafatra dia tsy fizarana amin’ny antsipiriany ireo fanambarananataon’ ny mpaminany momba nyFikambanana Ifanampiana.Sombiny fotsiny amin’ ireofahitany sy ny torolalany izany. NyFilles dans mon Royaume: L’ histoireet l’ oeuvre de la Société de Secours,ireo tatitra mikasika nyfihaonambe, ary ireo boky hafan’ny Fiangonana dia ahitanafampianarana maro mikasika iolohahevitra io.Joseph Smith, ao amin’ ny Fillesdans mon Royaume: L’ histoire et l’oeuvre de la Société de Secours (2011),13.Joseph Smith, ao amin’ ny Fillesdans mon Royaume, 15.

Brigham Young, ao amin’ ny Fillesdans mon Royaume, 41.Joseph F. Smith, ao amin’ ny Fillesdans mon Royaume, 65–66.Joseph Fielding Smith, ao amin’ nyFilles dans mon Royaume,142.Joseph Fielding Smith, ao amin’ nyFilles dans mon Royaume, 97.Boyd K. Packer, ao amin’ ny Fillesdans mon Royaume, 85.Jereo ny Boyd K. Packer, “TheCircle of Sisters,” Ensign, Nôv.1980, 110.Jereo ny First Presidency letters, 19Mar. 2003, sy 23 Feb. 2007.Jereo ny Filles dans mon Royaume,3–6.Boyd K. Packer, ao amin’ ny Fillesdans mon Royaume, 16.Joseph Smith, ao amin’ ny Fillesdans mon Royaume, 17.Joseph Smith, ao amin’ ny Historyof the Church, 4:602.John A. Widtsoe, ao amin’ ny Fillesdans mon Royaume, 25.Boyd K. Packer, “The Circle ofSisters,” Ensign, Nôv. 1980, 110.Joseph Fielding Smith, ao amin’ nyFilles dans mon Royaume, 142.Spencer W. Kimball, ao amin’ nyFilles dans mon Royaume, 117.Harold B. Lee, “The Place of ReliefSociety in the Welfare Plan,” ReliefSociety Magazine, Des. 1946, 842.Joseph F. Smith, ao amin’ ny Fillesdans mon Royaume, 66.The First Presidency, ao amin’ nyFilles dans mon Royaume, ix.Spencer W. Kimball, ao amin’ nyFilles dans mon Royaume, 142.Spencer W. Kimball, ao amin’ nyFilles dans mon Royaume, 95.

F I V O R I A N A A L A H A D Y M A R A I N A

176

Page 183: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

27.

28.

29.Gordon B. Hinckley, ao amin’ nyFilles dans mon Royaume, 160.Lorenzo Snow, ao amin’ ny Fillesdans mon Royaume, 19.

Lorenzo Snow, ao amin’ ny Fillesdans mon Royaume, 7.

J U L I E B . B E C K

177

Page 184: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Ny Fotopampianaran’ iKristyNataon’ ny Loholona D. Todd ChristoffersonAvy ao amin’ ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifolo

Ao amin’ ny Fiangonana ankehitriny toy ny tamin’ nyfahiny ihany, ny fanorenana ny fotopampianaran’ iKristy sy ny fanitsiana ireo zavatra diso ara-potopampianarana dia misy ifandraisany amin’ nyfanambarana masina.

Maneho ny fankasitrahanay sy ny fitiavanay lalina ho an’ nyRahavavy Beck sy Rahavavy Allred, ary Rahavavy Thompsonizahay ary ny ny filankevi-pitantanan’ ny FikambananaIfanampianana.

Nahita izahay tato ato fa nitombo ny fahaliananahahafantatra mikasika ny finoan’ ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy hoan’ ny Olomasin’ ny Andro Farany. Zavatra rainsintsika an-tanan-droa izany satria ny asa fototra nanirahana antsika koaanie dia ny hitory manerana an’ izao tontolo izao nyfilazantsaran’ i Jesoa Kristy, ny fotopampianarany (jereo ny Matio28:19–20; F&F 112:28). Saingy tsy maintsy miaiky isika fa teo nyfotoana nisian’ ny fisafotofotoan-kevitra ary mbola mitohy misyihany izany mikasika ny fotopampianarantsika sy ny fombananorenana azy. Izay no lohahevitra tiako hozaraina androany.

Ny Mpamonjy dia nampianatra ny fotopampianarany taoanatin’ ny mitataovovonan’ ny fotoana ary niady mafy ireoApôstôlin’ ny Mpamonjy mba hiarovana izany amin’ ireofanenjehana avy amin’ ny fomban-drazana sy ny filôzôfia diso.Ireo taratasy nosoratana ao amin’ ny Testamenta Vaovao diamitanisa zava-nitranga maro izay mampiseho fa efa nanomboka

F I V O R I A N A A L A H A D Y M A R A I N A

178

Page 185: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

nisy nandritra ny fotoana nanaovan’ ny Apôstôly asafanompoana ilay apôstazia izay natahorana ary efa nihanaka.1

Ireo taonjato taorian’ izany dia nohazavain’ ny tara-pahazavan’ ny filazantsara indraindray ary avy eo nitombotsikelikely mandrapahatonga ny taonjato faha-19 izay nisian’ nyfiantombohan’ ilay fiposahan’ ny hazavana mamirapiratry nyFamerenana tamin’ ny laoniny sy ny filazantsaran’ i Kristy fenoizay tonga teto an-tany indray. Izany andro lehibe izany diananomboka raha tao anatin’ ny “andrim-pahazavana . . . nihoatrany famirapiratan’ ny masoandro” (Joseph Smith—Tantara 1:16),dia indro Andriamanitra Ray sy ny Zanaka Malalany JesoaKristy, namangy an’ ilay tovolahy Joseph Smith ary nanombokanampisy ilay fitobahan’ ny fanambarana izay tonga amin’ nyalalan’ ny hery sy fahefana.

Ao anatin’ ireo fanambaran’ ny andro farany ireo noahitantsika ilay antsoina hoe fotopampianarana fototry nyFiangonan’ i Jesoa izay naverina indray eto an-tany. Izanyfotopampianarana izany dia nofaritan’ i Jesoa ao anatin’ iretoteny hita ao amin’ ny Bokin’ i Môrmôna: Testamenta Iray HafaMomba an’ i Jesoa Kristy ireto:

“Izao no fotopampianarako ary izany dia fotopampianaranaizay efa nomen’ ny Ray Ahy; ary Izaho dia vavolombelonamanambara ny Ray sy manambara Ahy; ary Izaho diavavolombelona fa mandidy ny olona rehetra ny Ray na aiza naaiza, hibebaka sy hino Ahy.

“Ary na zovy na zovy no mino Ahy sy atao batisa dia izy nohovonjena; ary izy no handova ny fanjakan’ Andriamanitra.

“Ary na zovy na zovy no tsy mino Ahy sy tsy atao batisa diahohelohina.

“. . . Ary na zovy na zovy no mino Ahy dia mino ny Ray koa;ary aminy ny Ray dia vavolombelona hanambara Ahy, fahamangy azy amin’ ny afo sy amin’ ny Fanahy Masina Izy. . . .

“Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, izany nofotopampianarako, ary na zovy na zovy no manorina eoambonin’ izany dia manorina eo ambonin’ ny vatolampiko, aryny vavahadin’ ny helo tsy haharesy azy” (3 Nefia 11:32–35, 39).

Izany no hafatsika, ilay vatolampy iorenantsika, ary fototraiorenan’ ny zavatra rehetra hafa ao amin’ ny Fiangonana. Toy ny

D . T O D D C H R I S T O F F E R S O N

179

Page 186: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

zavatra rehetra avy amin’ Andriamanitra dia madio sy mazavaary mora takarina io fotopampianarana io—na dia ho an’ nyankizy iray aza. Manasa ny rehetra amim-pifaliana izahay mbahandray izany.

Ao amin’ ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ nyAndro Farany dia “mino ny zava-drehetra izay efa nambaran’Andriamanitra isika, izay ambarany ankehitriny, ary mino isikafa Izy dia mbola hanambara zavatra lehibe sy manan-danja maromikasika ny Fanjakan’ Andriamanitra” (Fanekem-pinoana 1:9).Izany dia ilazana fa raha toa ka misy zavatra maro izay mbola tsyfantatsika, dia tonga ary hitohy ho tonga amin’ ny alalan’ nyfanambarana masina ireo fahamarinana sy fotopampianaranavoaraintsika. Any amin’ ireo finoana sasany, ireo mpahay finoanaan’ Andriamanitra dia manamafy ny tokony hisian’ ny fahefanamitovy ahafahana mampianatra eo amin’ ireo mpitondrafivavahana isan-tsokajiny, ary ny lafiny mikasika nyfotopampianarana amin’ izay dia mety ho lasa adyhampandresena hevitra eo amin’ izy ireo. Ny sasany miantehitraamin’ ilay filankevitra ara-pinoana lehibe niseho tamin’ nytaonjato faha-14 ka hatramin’ ny faran’ ny taonjato faha-15 sy nyfampianarany. Ny hafa dia manao ho lohalaharana ny hevitranentin’ ireo mpahay finoana an’ Andriamanitra izay niainataorian’ ny nahafatesan’ ny ireo apôstôly na ny fandalinanamikasika ireo fomba sy fitsipika nandikana ny Baiboly aryfanazavana amin’ ny antsipiriany ny zavatra ao anatin’ izany.Isika dia manome lanja ny fandalinana izay mampitombo nyfahatakarana, saingy ao amin’ ny Fiangonana ankehitriny toy nytamin’ ny fahiny ihany, ny fanorenana ny fotopampianaran’ iKristy sy ny fanitsiana ireo zavatra diso ara-potopampianaranadia misy ifandraisany amin’ ny fanambarana masina izay azon’ireo nomen’ ny Tompo fahefana ho apôstôly.2

Tamin’ ny 1954, ny Filoha J. Reuben Clark Jr., izaympanolotsaina iray tao amin’ ny Fiadidiana Voalohany diananazava ny fomba hampahafantarana ny fotopampianarana aryny andraikitra faran’ izay lehibe indrindra sahanin’ ny Filohan’ny Fiangonana. Raha niresaka momba ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ ny ApôstôlyRoambinifolo izy dia nilaza hoe: “Tokony ho [ataontsika] ao an-

F I V O R I A N A A L A H A D Y M A R A I N A

180

Page 187: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

tsaina fa ny sasany amin’ ireo Manampahefana Ambony dianomena antso manokana ho sahanin’ izy ireo. Mananafanomezam-pahasoavana manokana izy ireo, ary tohanana hompaminany, mpahita ary mpanambara izay manome azy ireofanomezam-pahasoavana manokana ara-panahy mifandrayamin’ ny fampianarany ny olona. Izy ireo dia manana ny zo sy nyhery ary ny fahefana mba hanambara izay saina sy ny sitrapon’Andriamanitra mikasika ny olony, ary eo ambanin’ ny hery syfahefana faran’ izay lehibe ananan’ ny Filohan’ ny Fiangonanaizany. Ny sasany amin’ ireo Manampahefana Ambony ireo diatsy nomena izany fanomezam-pahasoavana sy fahefanamanokana ara-panahy izany mikasika ny fampianarany. Misyfamerana mihatra amin’ izy ireo. Ary ilay famerana mihatraamin’ izy ireo eo amin’ ny lafin’ ny hery sy fahefana ao anatin’ nyfampianarana dia mihatra amin’ ny mpiandraikitra sympikamban’ ny Fiangonana hafa rehetra satria tsy misy amin’ izyireo nomena fanomezam-pahasoavana ara-panahy hompaminany sy mpahita ary mpanambara. Ankoatra izay arakany efa voalaza dia manana fanomezam-pahasoavana ara-panahymanokana sy lehibe kokoa ny Filohan’ ny Fiangonana eo amin’izay lafiny izay, satria izy no Mpaminany sy Mpahita aryMpanambara ho an’ ny Fiangonana iray manontolo.”3

Ahoana no fomba hanambaran’ ny Mpamonjy ny sitraponysy ny fotopampianarany amin’ ireo mpaminany sy mpahita arympanambara? Mety ataony amin’ ny fampiasana mpitondrahafatra iray izany na ataon’ ny tenany manokana. Afaka mitenyamin’ ny alalan’ ny feony manokana Izy na amin’ ny alalan’ nyfeon’ ny Fanahy masina―izay fifandraisan’ ny Fanahy mankanyamin’ ny fanahy, mety hambara amin’ ny alalan’ ny teny na amin’ny alalan’ ny fahatsapan-javatra izay mampita fampahalalanasarotra ambara amin’ ny alalan’ ny teny (jereo ny 1 Nefia 17:45;F&F 9:8). Afaka mifandray manokana amin’ ny mpanompony Izyna mifandray amin’ izy ireo ao anatin’ ny filankevitra ataon’ izyireo (jereo ny 3 Nefia 27:1–8).

Hilaza zavatra roa maneho izany avy ao amin’ ny TestamentaVaovao aho. Ny voalohany dia fanambarana izay nambara ho an’ny lohan’ ny Fiangonana. Any am-piandohan’ ny bokin’ ny Asan’ny Apôstôly any dia ahitantsika ireo Apôstôlin’ i Kristy izay tsy

D . T O D D C H R I S T O F F E R S O N

181

Page 188: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

nanambara ny hafatry ny filazantsara afa-tsy tamin’ ireo Jiosyihany. Nanaraka ny lamin’ ny asa fanompoan’ i Jesoa izy ireo(jereo ny Matio 15:24), saingy ankehitriny araka ny fandaharam-potoanan’ ny Tompo dia tonga ny fotoana hiovana. Tamin’ iPetera tany Jopa dia nanofy nahita karazam-biby avy any an-danitra izy izay naidina ho amin’ ny tany ka tao anatin’ ny“lamba lehibe mifatotra amin’ ny zorony efatra” (Asan’ nyApôstôly 10:11) izy ireo ary nodidiana izy mba “hamono syhihinana” (Asan’ ny Apôstôly) izany. Nisalasala i Petera satria nysasany tamin’ ireo biby ireo farafahakeliny dia “tsy madio” na“fady” araka ny lalàn’ i Mosesy ary i Petera dia tsy mbolanandika velively ilay didy mandrara ny tsy hihinanana zavatratoy izany. Na dia izany aza dia nilaza tamin’ i Petera ilay feo taoanatin’ ny nofiny hoe: “Izay efa nodiovin’ Andriamanitra dia azaataonao fady” (Asan’ ny Apôstôly 10:15).

Nazava ny dikan’ ilay nofy rehefa vetivety taorian’ izay dianisy olona maro nirahin’ i Kornelio Tomponjato Romana tongatany amin’ ny tranon’ i Petera mba hangataka azy hampianatrailay tompon’ izy ireo. Nanangona vondron’ olona maromaro izayahitana havana sy namana i Kornelio ary rehefa nahita azy ireotsindrindaona ny handray ny hafany i Petera dia nilaza hoe:

“Efa nampahafantarin’ Andriamanitra fa tsy misy olonaazoko atao hoe fady na tsy madio. . . .

“. . . Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan’ olonaAndriamanitra:

“Fa amin’ ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy kamanao ny marina no ankahasitrahany” (Asan’ ny Apôstôly 10:28,34–35; jereo koa ny andininy 17–24).

“Raha mbola nilaza izany teny izany Petera, dia nilatsakatamin’ izay rehetra nandre ny teny ny Fanahy Masina.

“Ary ireo [izay niaraka tamin’ i Petera] dia talanjona . . . satrianilatsaka tamin’ ny jentilisa koa ny fanomezana, dia ny FanahyMasina.

“. . . Dia namaly i Petera ka nanao hoe:“Moa misy olona mahazo mandrara ny rano tsy hanaovana

batisa ireo, izay efa nandray ny Fanahy Masina tahaka antsikakoa?” (Asan’ ny Apôstôly 10:44–47).

F I V O R I A N A A L A H A D Y M A R A I N A

182

Page 189: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Tamin’ ny alalan’ izay zava-nitranga izay sy tamin’ ny alalan’ny fanambarana nomena an’ i Petera dia novain’ ny Tompo nyfomba fanao iray tao amin’ ny Fiangonana ary nanambarafampahalalana ara-potopampianarana feno kokoa tamin’ nympianany Izy. Ary noho izany ny fitoriana ny filanzantsara dianivelatra mba hampidirana ny olona rehetra.

Any amin’ ny faramparan’ ny bokin’ ny Asan’ ny Apôstôlydia mahita tantara iray hafa izay misy ifandraisany amin’ ilayfomba fifandraisana isika. Amin’ ity indray mitoraka ity diaaseho ny fomba ahafahan’ ny fanambarana mikasika ireo lafin-javatra ara-potopampianarana ho tonga ao anatin’ ny fotoanahanaovana filankevitra. Nisy ny fifandirana mikasika ny hoetokony hisy fiantraikany eo amin’ ny didy iray ao anatin’ nyfilazantsara sy ny Fiangonan’ i Kristy ve ny famorana izaynotakiana eo ambanin’ ny lalàn’ i Mosesy (jereo ny Asan’ nyApôstôly 15:1, 5). “Ary dia nivory ny apostoly sy ny loholonamba hihevitra . . . izany zavatra izany” (Asan’ ny Apôstôly 15:6).Tsy feno akory ny zavatra voarakitsika mikasika izanyfilankevitra izany saingy nolazaina isika fa taorian’ ny “adyhevitra be ihany” (Asan’ ny Apôstôly 15:7), dia nitsangana iPetera izay Apôstôly zokiny indrindra ary nanambara ny zavatranambaran’ ny Fanahy Masina taminy. Nambarany tamin’ nyfilankevitra fa rehefa natomboka notoriana tamin’ ireo Jentilisytsy voafora ny filazantsara tao an-tranon’ i Kornelio, dia nandrayny Fanahy Masina izy ireo toy ny nandraisan’ ireo Jiosy voaforaniova fo an’ izany. Hoy Andriamanitra hoe: “fa tsy nataony misyhafa isika sy izy, fa nodioviny tamin’ ny finoany ny fony.

“Koa nahoana ianareo no maka fanahy an’ Andriamanitraamin’ ny fametrahanareo zioga amin’ ny vozon’ ny mpianatra,izay tsy zakan’ ny razantsika na isika ho entina?

“Fa mino isika fa ny fahasoavan’ i Jesosy Tompo nohamonjena antsika, dia tahaka ny azy ihany koa” (Asan’ nyApôstôly 15:9–11; jereo koa ny andininy 8).

Taorian’ ny nitenenan’ i Paoly sy i Barnabasy ary ireo olonahafa mba hanohanana ny fanambaran’ i Petera dia nanomesosokevitra ny mba hanaovana izany fanapahan-kevitra izany aoanaty taratasy ho an’ ny Fiangonana i Jakoba ary “nifanara-kevitra” ny filankevitra (Asan’ ny Apôstôly 15:25; jereo koa ny

D . T O D D C H R I S T O F F E R S O N

183

Page 190: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

andininy 12–23). Tao anatin’ ilay taratasy nanambarana nyfanapahan-kevitr’ izy ireo dia nanambara ireo Apôstôly hoe: “Fasitraky ny Fanahy Masina sy izahay” (Asan’ ny Apôstôly 15:28),na amin’ ny teny hafa, izany fanapahan-kevitra izany dia tongatamin’ ny alalan’ ny fanambarana masina tamin’ ny alalan’ nyFanahy Masina.

Ireo lamina ireo koa dia arahana ankehitriny ao amin’ nyFiangonan’ i Jesoa naverina tamin’ ny laoniny. Ny Filohan’ nyFiangonana dia afaka manambara na manazavafotopampianarana izay mifototra amin’ ny fanambarana omenaazy (mba hahitana ohatra dia jereo ny F&F 138). Ny fanazavanaara-potopampianarana koa dia mety tonga amin’ ny alalan’ nyfilankevitra itambaran’ ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo (jereo mba hahitana ohatra nyFanambarana Ôfisialy 2). Ny resaka atao ao anatin’ nyfilankevitra matetika dia ahitana ny fampiasana ireo soratramasina nankatoavin’ ny Fiangonana, ireo fampianaran’ ireompitarika ao amin’ ny Fiangonana, ary ny zavatra natao teoaloha. Saingy amin’ ny farany toy ny ao amin’ ny TestamentaVaovao ihany dia tsy hoe fifanarahana tsotra fotsiny eo amin’ ireompikambana ao amin’ ny filankevitra akory no tanjona fafanambarana avy amin’ Andriamanitra. Fomba fiasa sady ahitanany fampiasana ny saina sy ny finoana izany mba hahazoanamahafantatra ny saina sy ny sitrapon’ ny Tompo.4

Miaraka amin’ izay ihany koa dia tokony ho tsaroana fa tsyizay zavatra rehetra nolazain’ ny mpitarika iray ao amin’ nyFiangonana, na mpitarika taloha izany na ankehitriny akory diavoatery hoe fotopampianarana. Efa takatry ny rehetra ato amin’ny Fiangonana fa ny zavatra nolazain’ ny mpitarika iray taoanatin’ ny fotoana iray manokana dia matetika raisina ho hevitraavy amin’ ny tenany manokana izay avy tamim-pisainana tsarafa tsy natao ho lasa zavatra ôfisialy sy tsy maintsy arahan’ nyFiangonana iray manontolo. Ny Mpaminany Joseph Smith dianampianatra fa “ny mpaminany iray [dia] mpaminany rehefamitondra tena ho toy izany izy.”5 Ny Filoha Clark, izay efanindraman-teny tany aloha dia nanambara hoe:

“Maneho izany toe-javatra izany ny tantara tsotra iraynotantarain’ ny raiko ahy fony aho ankizilahy, izay tsy fantatro

F I V O R I A N A A L A H A D Y M A R A I N A

184

Page 191: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

hoe inona ilay fahefana resahana fa maneho izany toe-javatraizany fotsiny ilay izy. Ilay tantarany dia hoe nandritra nyfientanentanana mikasika ny fahatongavan’ ny Tafik’ i[Johnston], dia nanao lahateny ho an’ ny olona tao anatin’ nyfivoriana maraina iray Rahalahy Brigham, izay lahateny fenofihantsiana an’ ilay tafika manatona ary fanambarana ny fikasanahanohitra sy handroaka azy ireo. Tao anatin’ ny fivoriana nataony tolakandro dia nitsangana izy ary nilaza hoe, niteny i BrighamYoung tamin’ ny maraina, saingy ny Tompo indray no hitenyizao. Dia nanao lahateny iray izy ka samy hafa tamin’ ilaynataony ny maraina izany. . . .

“. . . Ny Fiangonana dia hahafantatra amin’ ny alalan’ nyfijoroan’ ny Fanahy Masina ho vavolombelona izay omena ireompikambana raha toa ilay rahalahy, izay mizara ny heviny ka‘entanin’ ny Fanahy Masina’ ary hiseho ihany izany fahalalanaizany amin’ ny farany.”6

Ny Mpaminany Joseph Smith dia nanamafy ny anjara asalehiben’ ny Mpamonjy ao amin’ ny fotopampianarantsika aoanatin’ ny fehezan-teny manan-danja iray: “Ireo fitsipika fototryny finoantsika dia ny fijoroana ho vavolombelon’ ireo Apôstôlysy mpaminany mikasika an’ i Jesoa Kristy izay manao hoe, matyIzy dia nalevina ary nitsangana tamin’ ny maty ny androfahatelo, dia niakatra any an-danitra ary ireo zavatra hafamikasika ny finoantsika dia mifampiankina amin’ izany fotsiny.”7

Ny fijoroan’ i Joseph Smith ho vavolombelona mikasika an’ iJesoa dia hoe velona Izy “satria hita[ny] izy, [t]eo ankavanan’Andriamanitra ary re[ny] ny feo manambara fa Izy no ZanakaLahitokan’ ny Ray” (F&F 76:23; jereo koa ny andininy 22).Miantso ny rehetra izay maheno na mamaky ity hafatra ity ahomba hikatsaka amin’ ny alalan’ ny vavaka sy ny fandalinana nysoratra masina izany fijoroana ho vavolombelona momba ilaytoetra maha-Andriamanitra an’ i Jesoa Kristy izany sy momba nySorompanavotany ary ny Fitsanganany tamin’ ny maty. Ekeo nyfotopampianarany amin’ ny alalan’ ny fibebahana, ny fanaovanabatisa ary ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina aryamin’ ny alalan’ ny fanajana ireo lalàna sy fanekempihavanan’ nyfilazantsaran’ i Jesoa Kristy mandritra ny fiainanareo.

D . T O D D C H R I S T O F F E R S O N

185

Page 192: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

1.

Satria efa manakaiky ny fetin’ ny Paska dia zaraiko nyfijoroako ho vavolombelona manokana fa i Jesoa avy anyNazareta dia Zanak’ Andriamanitra, ilay Mesia marina taoanatin’ ny faminaniana fahiny. Izy ilay Kristy nijaly taoGetsemane, izay maty teo amin’ ny hazo fijaliana, dia nalevinaary nitsangana tamin’ ny maty tokoa tamin’ ny andro fahatelo.Izy ilay Tompo nitsangana tamin’ ny maty ary amin’ ny alalanyno hitsanganantsika rehetra amin’ ny maty sy hahafahan’ ireoizay vonona, hahazo fanavotana sy fisandratana any amin’ ilayfanjakany any an-danitra. Izany no fotopampianarantsika izaymanamafy ireo testamenta rehetra tany aloha mikasika an’ i JesoaKristy ary ambara indray amin’ izao androntsika izao. Amin’ nyanaran’ i Jesoa Kristy.

FanamarihanaJereo ny Neal A. Maxwell, “Fromthe Beginning,” Ensign, Nôv. 1993,18–19:

“Nanoro hevitra hialana amin’ny ‘ady sy ny fifandirana eoanivon’ ny’ Fiangonana (Jakoba4:1) i Jakoba. I Paoly dia naneho nyalahelony mikasika ny ‘fisarahana’ao amin’ ny Fiangonana ary nytena tsy mba hiantran’ ny ‘ambodiamasiaka ny ondry’ (1 Kor. 11:18;Asan’ ny Apôstôly 20:29–31).Fantany fa hisy apôstazia ho avyary nanoratra ho an’ nyTesaloniana izy fa ny fiavian’ iJesoa fanindroany dia tsy hitranga‘raha tsy efa tonga aloha nyfihemorana’; ary nanoro hevitrabebe kokoa izy hoe ‘miasa sahadyny zava-miafina’ (2 Tes. 2:3, 7).

“Tamin’ ny farany dia nanamafyi Paoly fa tena niely be ilayfihemorana: ‘fantatro fa efanahafoy ahy izay rehetra any Asia’(2 Tim. 1:15). . . .

“Nampiahiahy be ny apôstôlyny fihanahan’ ny fahavetavetana syny fanompoan-tsampy (jereo ny1 Kor. 5:9; Efes. 5:3; Joda 1:7). IJaona sy i Paoly dia nanoratra nyahiahin’ izy ireo mikasika ireo

Apôstôly sandoka (jereo ny 2 Kor.11:13; Apôk. 2:2). Tenavoatohintohina ny Fiangonana. Nysasany dia tsy hoe niala fotsiny falasa nanohitra ampahibemasomihitsy ny Fiangonana. Tao anatin’ny toe-javatra iray dia nijoro irery iPaoly ary nitaraina hoe: ‘nandaoahy avokoa izy rehetra’ (2 Tim.4:16). Niampanga ampahibemasoireo izay ‘nampivadikampianakavy maro’ (Titosy 1:11)koaizy.

“Nisy mpitarika vitsivitsynikomy rehefa nisy anankiray izaytia toerana ambony nanda nyhandray ireo rahalahiny (jereo ny3 Jaona 1:9–10).

“Tsy mahagaga raha toa nyFiloha Brigham Young ka nilazahoe: ‘Nolazaina fa nesorina taoamin’ ny Fiangonana nyFisoronana, saingy tsy izany noniseho. Ny Fiangonana no nandaony Fisoronana’ (ao amin’ ny Journalof Discourses, 12:69).”

Rehefa nandeha ny fotoanaaraka ny nilazan’ ny LoholonaMaxwell azy, “dia nibahan-toeranany fombafomba Grika momba nyfilôzôfia ary avy eo nosoloin’ ny

F I V O R I A N A A L A H A D Y M A R A I N A

186

Page 193: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

2.

3.

4.

5.

6.

fianteherana amin’ ny fanambaranaizay angamba toe-javatranafainganin’ ireo Kristianina tsaraeritreritra izay naniry ny hitondrany finoan’ izy ireo tao anatin’ ilaykolontsaina nibahana tamin’ izanyfotoana izany . . .

“. . . Aoka isika rehetra [koa]mba hitandrina mikasika nyfandraisana ny fanambaranamomba ny haifinoana an’Andriamanitra ho toy nyfahendrena ekena” (Ensign, Nôv.1993, 19–20).Manambara ny tenin’Andriamanitra ireo Apôstôly sympaminany toa an’ i Joseph Smith,saingy ankoatra izany dia minoisika fa ny lehilahy sy ny vehivavyamin’ ny ankapobeny na ny ankizykoa aza dia afaka ny hianatrazavatra avy amin’ ny fanentanam-panahy masina na afaka mahazofitarihana amin’ ny alalan’ izany hovalin’ ny vavaka natao sy vokatryny fandalinana ny soratra masina.Toy ny tamin’ ireo andron’ ireoApôstôly fahiny dia omena nyfanomezana ny Fanahy Masina ireompikamban’ ny Fiangonan’ i JesoaKristy izay manamora nyfifandraisana tsy tapaka amin’ nyRainy any an-danitra na amin’ nyteny hafa dia hoe ny fahazoanafanambarana ho an’ ny tenamanokana (jereo ny Asan’ nyApôstôly 2:37–38). Amin’ izayfomba izay ny Fiangonana dia lasavondron’ olona manolo-tena symatotra ara-panahy ary ny finoan’izy ireo dia vokatry ny fahitanaireo zavatra niainanymanokana—finoana azo avy amin’ny Fanahy Masina sy hamafisin’ nyFanahy Masina. Tsy midika akoryizany fa ny mpikambana rehetradia miteny ho an’ ny Fiangonanana afaka mamaritra nyfotopampianarana ao anatiny fa nyolona tsirairay dia afaka mahazo

fitarihana masina mba hiatrehanaan’ ireo fanamby sy ireo zavatramahasoa eo amin’ ny fiainany.J. Reuben Clark Jr., “When AreChurch Leaders’ Words Entitled toClaim of Scripture?” Church News,31 July, 1954, 9–10; jereo koa nyFotopampianarana syFanekempihavanana 28:1–2, 6–7,11–13.Ny fiomanana ilaina sy ireo zavatratakiana avy amin’ ireo mpandrayanjara ao amin’ ny filankevitra dia“fahamarinana, . . . fahamasinana,ary fietren’ ny fo, halemem-panahysy ny fahari-po, . . . finoana, sy nyhatsaran-toetra ary fahalalana, nyfahononam-po, ny faharetana, nytoetra araka an’ Andriamanitra,fifankatiavan’ ny mpirahalahy aryny fiantrana;

“Satria ny fampanantenana diaizao: raha miavosa ao aminy ireozavatra ireo, dia tena hahavokatraizy ireo amin’ ny fahalalana nyTompo” (Fotopampianarana syFanekempihavanana 107:30–31).Joseph Smith, ao amin’ ny Historyof the Church, 5:265.J. Reuben Clark Jr., (“ChurchLeaders’ Words,” 10.) Tao anatin’ilay tantara notantarain-drainy azymikasika an’ i Brigham Young diananohy nanoratra bebe kokoa an’izao ny Filoha Clark:

“Tsy fantatro raha efa nitrangaity zavatra ity, saingy azoko lazainahoe maneho fitsipika iray izany—fana ny Filohan’ ny Fiangonana azadia mety ho ‘entanin’ ny FanahyMasina’ foana rehefa miresakaamin’ ny olona. Efa niseho izanyteo amin’ ny lafin’ nyfotopampianarana (matetikahevitra tena saintsainina) ka na ireoFilohan’ ny Fiangonananifandimby sy ireo olon-kafa azadia nahatsapa fa tsy ‘nentanin’ nyFanahy Masina’ ilay

D . T O D D C H R I S T O F F E R S O N

187

Page 194: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

7.

mpandahateny rehefa nanambaraizany fotopampianarana izany.

“Ahoana no hahafantaran’ nyFiangonana fa ireo anoanon’ ireorahalahy ao anatin’ ireo fitsipika syfotopampianarana saintsainina ireodia mahafeno ny fepetra izaymaneho fa ilay mpandahateny dia‘nentanin’ ny Fanahy Masina’? NyFiangonana dia hahalala amin’ nyalalan’ ny fijoroana hovavolombelon’ ny Fanahy masina

fa ao anatin’ ny vatan’ ireompikambana, raha toa ilayrahalahy izay maneho ny hevinyka ‘entanin’ ny Fanahy Masina’;ary rehefa tonga ny fotoana diahiharihary izany fampahalalanaizany” (“Church Leaders’ Words,”10).Teachings of Presidents of the Church:Joseph Smith (2007), 49.

F I V O R I A N A A L A H A D Y M A R A I N A

188

Page 195: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Ny Hazakazaky nyFiainanaNataon’ ny Filoha Thomas S. Monson

Avy aiza isika? Maninona eto? Ary handeha ho aizaaorian’ ity fiainana ity? Tsy voatery tsy ahitam-balinyireo fanontanian’ izao tontolo izao ireo.

Ry rahalahy sy ranabaviko malala, anio maraina aho dia te-hiresaka aminareo mikasika ireo fahamarinanamandrakizay—ireo fahamarinana izay hampivoatra nyfiainantsika ary hafahantsika ho tafaverina soa aman-tsara anyan-tranontsika.

Na aiza na aiza dia maika daholo ny olona. Mifamezivezyfaingana ny fiaramanidina mitondra ireo olona sarobidympandehany hamakivaky ireo kaontinanta mivelatra syranomasimbe midadasika mba hahafahana manatrika ireofivoriana fandraharahana, mamita adidy, mankafy fialan-tsasatrana mamangy fianakaviana. Ireo lalambe na aiza na aiza—aoanatin’ izany ireo lalambe mirazotra—dia lalovan’ ireo fiara an-tapitrisany, hifamezivezen’ ireo olona an-tapitrisany maro kokoanoho izany, ao anatin’ ny henjikenjika toa tsy misy fiafarana arynoho ny antony maro samihafa eo am-pamonjentsika ny asaaman-draharaha isan’ andro.

Ao anatin’ izany hazakazaka faingan’ ny fiainana izany diamoa mba maka fotoana ve isika hisaintsainana—an’ ireofahamarinana mandrakizay?

Rehefa ampitahaina amin’ ireo fahamarinana mandrakizayny ankamaron’ ireo fanontaniana sy ahiahy mahakasika nyfiainana andavanandro dia tena tsy misy lanjany mihitsy. Inona

T H O M A S S . M O N S O N

189

Page 196: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

no ho atao laoka rahariva? Inona no loko tokony handokoana nyefitrano fandraisam-bahiny? Tokony ho ampidirina amin’ nyekipa mpilalao baolina kitra ve i Johnny sa tsia? Ireofanontaniana ireo sy ireo maro hafa tsy voatanisa koa dia tsymanan-danja rehefa mitranga ny fotoan-tsarotra, rehefa iharam-boina ireo olon-tiana, rehefa tonga tampoka ny aretina, rehefamihombo tanteraka ny aretina ka mandondom-baravaranarafahafatesana. Mifantoka kokoa ny saintsika ary afakamamaritra mora kokoa isika hoe inona no tena manan-danja aryinona no ambikambin-javatra.

Vao haingana aho no namangy vehivavy iray izay niatrikaaretina mahafaty nandritra ny roa taona mahery izay. Nilaza izyfa talohan’ ny narariany dia feno foana ny fotoanany tamin’ nyfanaovany asa toy ny fanadiovany ny tranony arak’ izay lafatraindrindra ary fandravahany izany amin’ ireo entana tsara tarehy.Nankany amin’ ny mpanao volo indroa isan-kerinandro izy arynandany vola sy fotoana isam-bolana mba hividianana akanjovaovao fanampiny. Mahalana no namangy azy ny zafikelinysatria manahy hatrany izy sao ho vaky na ho simbain’ ireo tananakely tsy miraharaha zavatra ireo fananany izay noheveriny hoesarobidy.

Avy eo dia nandray ilay vaovao manafintohina izy izaynilaza fa notandindomin-doza ny ainy ary mety efa vitsivitsy sisany andro iainany eto an-tany. Nilaza izy fa tamin’ ny fotoananandrenesany ny valim-panadihadian’ ny dokotera dia fantanyavy hatrany fa handany ny fotoana sisa ananany iarahana amin’ny fianakaviany sy ny namany izy ary hanao ny filazantsara hoivon’ ny fiainany, satria ireo no sarobidy indrindra aminy.

Ny fotoana mampahiratra toy izany dia mitranga eoamintsika rehetra amin’ ny fotoana iray na amin’ ny fotoana hafa,na dia tsy voatery ho amin’ ny toe-java-mahory hatrany azaizany. Hitantsika amin’ izay hoe inona no tena manan-danja eoamin’ ny fiainantsika ary ahoana no fomba tokony iainantsika.

Hoy ny Mpamonjy:“Aza mihary harena ho anareo ety an-tany, izay misy kalalao

sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra manamitrano symangalatra:

F I V O R I A N A A L A H A D Y M A R A I N A

190

Page 197: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

“Fa miharia harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misykalalao na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatramanamitrano na mangalatra:

“Fa izay itoeran’ ny harenao, dia ho any koa ny fonao.”1

Mandritra ny fotoana lalina hisaintsainantsika na ilantsikavahaolana goavana dia manakatra mankany an-danitra nyfanahin’ ny olona, mikatsaka valiny avy amin’ Andriamanitramikasika ireo fanontaniana lehibe eto amin’ ny fiainana: Avy aizaisika? Maninona eto? Ary handeha ho aiza aorian’ ity fiainana ity?

Ny valin’ ireo fanontaniana ireo dia tsy hita ao anatin’ nyboky fianarana any amin’ ny oniversite, na amin’ ny fikarohanaamin’ ny alalan’ ny Internet. Ireo fanontaniana ireo dia mihoatrany fahatakaran’ ny olombelona ny fiainana an-tany. Mahakasikany mandrakizay izy ireo.

Avy aiza isika? Ity fanontaniana ity dia tsy maintsy efamandalo ao an-tsain’ ny olombelona tsirairay, raha tsy mbolanotononiny.

Nilaza tamin’ ireo Ateniana ny apôstôly Paoly teo amin’ nyHavoan’ i Mars fa “terak’ Andriamanitra isika.”2 Noho nyfahafantarantsika fa naterak’ ireo ray aman-dreny mety maty nyvatantsika dia tsy maintsy mikatsaka ny tena tian’ ny Paolyholazaina isika. Nanambara ny Tompo fa “ny fanahy sy vatanano atao hoe olona velona.”3 Noho izany dia ny fanahy no naterak’Andriamanitra. Nantsoin’ ny mpanoratra an’ i Hebreo hoe “Rain’ny fanahy”4 Izy. Ara-bakiteny izany dia “ateraka ho zanakalahysy ho zanakavav[iny]”5 ny fanahin’ ny olombelona rehetra.

Hitantsika fa nisy ireo mpahaitononkalo nentanim-panahy nonanoratra hafatra manainga fanahy sy nirakitra fomba fisainanamahatalanjona, mba handalinantsika izany lohahevitra izany.Noraketin’ i William Wordsworth an-tsoratra ny fahamarinana:

T H O M A S S . M O N S O N

191

Page 198: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Ny fahaterahantsika dia toy ny torimaso hanadinoana ny taloha;Ny Fanahy ao anatintsika dia toy iroa kintana iroa,Izay efa nisy talohan’ ny fiainana an-tany,Ary tonga avy any lavitra any:Tsy nanadino ny zava-drehetra isika akory,Ary mba efa niomana koa,Satria misy sombin-danitra anatintsika tsy matoryAvy amin’ Andriamanitra, izay fonenana soa:Tsy lavitra ny lanitra raha mbola zaza isika!6

Misaintsaina ireo andraikiny amin’ ny fampianarana, syfanentanam-panahy ary fanomezana fitarihana sy fanehoanaohatra ho an’ ireo zanany ny ray aman-dreny. Ary rahamandinika ireo ray aman-dreny dia ireo ankizy kosa—indrindraireo tanora—dia mametraka ity fanontaniana lalina ity:“Maninona eto isika?” Matetika izany ao anatin’ ny fanahymangina ao ary manao hoe: “Maninona eto aho?”

Tokony ho velom-pankasitrahana tokoa isika fa nisyMpahary namorona tany ary nametraka antsika ety, niarakatamin’ ny voalin’ ny tsy fahatsiarovana ny fiainana niainantsikataloha mba hahafahantsika mandalo fotoam-pisedrana, fotoanahanaporofoantsika ny tenantsika, ka hahafahantsika ho mendrikahandray ny zava-drehetra izay nomanin’ Andriamanitra horaisintsika.

Mazava be fa ny tanjona fototra iray ho an’ ny fisiantsika etoan-tany dia ny hahazo vatana nofo sy taolana. Nomena antsikaihany koa ny fanomezan’ ny fahafahana misafidy. Amin’ nyendriny maro, dia afaka misafidy ho an’ ny tenantsika isika. Etono ianarantsika avy amin’ ireo traikefa manahirana eo amin’ nyfiainantsika. Afaka mamantatra ny tsara sy ny ratsy isika. Mahaymanavaka ny mangidy sy ny mamy koa. Hitantsika fa misyvokany mifandray amin’ ny asa ataontsika.

Amin’ ny alalan’ ny fankatoavana ny didin’ Andriamanitradia afaka ny ho tafiditra ao amin’ ilay “trano” noresahin’ i Jesoaisika raha nilaza Izy hoe: “Ao an-tranon’ ny Raiko misy fitoeranamaro. . . . handeha hamboatra fitoerana hoa anareo Aho . . . kaizay itoerako no hitoeranareo koa.”7

F I V O R I A N A A L A H A D Y M A R A I N A

192

Page 199: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Na dia tonga teto an-tany “tanatin’ ny rahona fenovoninahitra” aza isika dia mandroso tsy azo ivalozana hatrany nyfiainana. Manaraka ny fahazazana ny fahatanorana ary avy eo nyfahamatorana na dia tsy tsikaritra loatra aza. Avy tamin’ ireozavatra niainana no nianarantsika ny antony ilana ny fanampianaavy any an-danitra eo am-pandiavantsika ny fiainana.

Nasian’ Andriamanitra, Raintsika, sy i Jesoa Kristy, marika nylalana mankany amin’ ny fahatanterahana. Miantso antsika mbahanaraka ireo fahamarinana mandrakizay izy ireo ary hotanteraka tahaka Azy ireo.8

Noharin’ ny Apôstôly Paoly tamin’ ny hazakazaka mananatanjona voafaritra mazava tsara ny fiainana. Nampitandrina ireoHebreo izy nanao hoe: “Aoka isika koa hanaisotra . . . ny ota izaymalaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin’ nyfaharetana amin’ izao fihazakazahana filokana napetraka eoanoloantsika izao.”9

Aoka tsy tsinontsinoavintsika, ao anatin’ ny zotom-pontsikaity torohevitra feno fahendrena avy amin’ ny Mpitoriteny ity: “Fatsy ho an’ ny haingan-tongotra ny fihoarana, ary tsy ho an’ nymahery ny ady.”10 Raha ny marina, dia ho an’ ireo izay maharitrahatramin’ ny farany tokoa ny valisoa.

Rehefa misaintsaina ny hazakazaky ny fiainana aho diatsaroako ny karazan’ ny hazakazaka iray hafa, izay nataokotamin’ ny andron’ ny fahazazako. Manao sambo kely vita amin’ny rantsan-kazo malemin’ ny hazo malahelo izaho sy ny namako.Rehefa avy nasiana lamba landihazo manana endrika telolafyireo sambokely voasokitra dia nalatsakay tanatin’ ny Reniranomisamboaravoaran’ i Provo Utah mba hifaninana. Mihazakazakamanaraka ny sisin’ ny renirano izahay, mijery ireo sambokelyindraindray toa milentika anatin’ ny fikorian’ ny rano ary amin’ny fotoana hafa mikoriana amim-pahatoniana rehefa miha-lalinany rano.

Nandritra ny fifaninanana manokana tahaka izany diatsikaritray fa mitarika ireo sambo kely rehetra hahatratra nytanjona farany ny sambo iray. Tampotampoka teo dia nosintonin’ny fisamboaravoaran’ ny rano hanatona ranomody iraymidadasika ireo sambo, ary dia nipitika tery amin’ ny lafiny tery.Nihananalavitra tsikelikely izany ary tsy afaka niverina teny

T H O M A S S . M O N S O N

193

Page 200: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

amin’ ny fikorian’ ny rano tam-boalohany intsony. Nony faranydia namonjy morony teny amin’ ny sisiny ilay izy, tery anivon’ireo sasany nanodidina azy efa rotidrotiky ny fitopatopazana, aryhazonin’ ireo vatokely anaty rano mafy ka tsy mihetsika intsony.

Ilay sambo kilalao fony fahazaza dia tsy nanana rafitraifotorana ahafahana mitombina tsara, tsy nanana familian-tsambo ahazoana tari-dalana ary tsy nanana loharanon-kery.Mazava ho azy fa manaraka ny fikorian’ ny rano ny lalan-kalehany—ny lalan’ ny manara-drenirano.

Tsy mba toy ireo sambokely ireo kosa isika fa nomena toetraaraky ny an’ Andriamanitra mba hitarika antsika amin’ nydiantsika. Rehefa tonga teto amin’ ny fiainana an-tany isika diatsy mitopatopa manaraka ny onjan’ ny fiainana akory fa mananahery entina mieritreritra, hisainana ary hanatratrarana tanjonairay.

Tsy nalefan’ ny Ray any an-danitra eto amin’ ity diamandrakizay ity ka tsy nomeny fitaovana izay ahafahantsikamandray fitarihana avy any ambony akory isika izay ahazoanaantoka fa hahatafaverina antsika any soa aman-tsara. Ny vavakano tiako horesahina. Ilay bitsika avy amin’ ny feo tony symalefaka ihany koa no tiako horesahina. Ary tsy hadinoko nysoratra masina izay mitahiry ny tenin’ ny Tompo sy ny tenin’ ireompaminany—nomena antsika mba hahitana fahombiazana amin’ny fandinganana ilay tanjona farany.

Misy fotoana eo amin’ ny sombin-dalan’ ny fiainantsika izayahatsapana fisalasalana eo amin’ ny dingana atao, faharerahanaeo amin’ ny fitsikiana, fanaintainana noho ny aretina—isan’ izanyny fiafaran’ ny fahatanorana, ny fahatongavan’ ny fahamatorana,ny fanatonana amin’ ny fahanterana ary ny fandalovana amin’ nyrafahafatesana.

Ny olon-drehetra izay manan-tsaina dia samy efa nametrakaity fanontaniana nolazain’ i Joba fahiny ity, manao hoe: “Rahamaty ny olona, moa ho velona indray va izy?”11 Na dia miezakany hanala izany fanontaniana izany ao an-tsaintsika aza isika diatoa miverina hatrany izany. Mihatra amin’ ny olombelona rehetrany fahafatesana. Mifaoka ireo antitra eo am-pandehanany amim-pihozongozonana izany. Miantraika amin’ ireo mbolavantombantony eo amin’ ny fiainana koa ny antsony ary

F I V O R I A N A A L A H A D Y M A R A I N A

194

Page 201: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

indraindray manapaka tampoka ny hehin’ ireo ankizy madinikakoa.

Kanefa inona no zava-misy aorian’ ny fahafatesana? Moa nyfahafatesana va ny farany? Tao amin’ ny boky nosoratan’ i RobertBlatchford hoe God and My Neighbor dia nokianiny mafy ireozavatra iaraha-manaiky izay inoan’ ny Kristiana toy nyAndriamanitra, i Kristy, ny vavaka ary indrindra ny tsyfahafatesana. Nilaza tamim-pahasahiana izy fa ny fahafatesanano fiafaran’ ny fisiantsika ary tsy misy olona afaka manaporofony mifanohitra amin’ izany. Kanjo nisy zavatra nahavariananitranga. Rava tampoka teo ilay rindrin’ ny tsy finoany nyzavatra izay eken’ ny rehetra. Nihanjahanja teo ary tsy nanan-kavaly izy. Nanomboka niverina tsikelikely tamin’ ny finoanaizay nalany baraka sy nialany izy. Inona no nahatonga izanyfiovana teo amin’ ny fomba fijeriny izany? Maty ny vadiny. Taoanatin’ ny ratram-po no nidirany tao amin’ ilay efitrano izaynampandriana ny vata-mangatsiakan’ ny vadiny. Nanopy masoindray tamin’ ilay endrika tena ankafiziny izy. Rehefa nivoakaavy tao izy dia niteny tamin’ ny namany hoe: “Izy no ao nefa toatsy izy. Niova ny zava-drehetra. Nisy zavatra izay tao aminy teoaloha izay tsy ao intsony. Tsy toy ilay teo aloha intsony izy. Inonano tsy eo raha tsy ny fanahy?”

Nanoratra izy taty aoriana hoe: “Tsy araky ny eritreretin’ nyolona sasany ny fahafatesana. Tahaka ny fidirana amin’ nyefitrano iray hafa fotsiny izany. Ao anatin’ izany efitrano izany noahitana . . . ireo lehilahy sy vehivavy malalantsika ary zanakamamintsika izay tiantsika ary efa nandao antsika.”12

Ry rahalahy sy ranabaviko, fantatsika fa tsy ny fahafatesanano farany. Izany fahamarinana izany dia efa nampianarin’ ireompaminany velona nandritra ireo vanimpotoana rehetra.Hitantsika ao amin’ ny soratra masina koa izany. Ao amin’ nyBokin’ i Môrmôna dia mamaky teny manokana mitondrafampiononana isika:

“Ankehitriny, raha ny momba ny toetry ny fanahy eoanelanelan’ ny fahafatesana sy ny fitsanganana amin’ nymaty—Indro, izany dia efa nampahalalain’ ny anjely iray ahy,satria ny fanahin’ ny olon-drehetra, raha vantany vao miala ityvatana mety maty ity, eny, ny fanahin’ ny olon-drehetra, na tsara

T H O M A S S . M O N S O N

195

Page 202: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

izy na ratsy, dia entina mody any amin’ Ilay Andriamanitra izaynanome aina azy.

“Ary amin’ izany ny zavatra hitranga, ny fanahin’ ireo izaymarina dia raisina ao amin’ ny toetry ny fahasambarana izayantsoina hoe paradisa, dia ny toetry ny fitsaharana, ny toetry nyfiadanana izay hialany sasatra amin’ ny fahasahiranana rehetrasy ny fiahiahiana rehetra ary ny alahelo.”13

Taorian’ ny nanomboana ny Mpamonjy sy nametrahana nyvatan’ i Jesoa tao am-pasana nandritra ny telo andro dia niditratao amin’ ny vatany indray ny fanahiny. Nikodia ny vato arynivoaka nandeha ilay Mpanavotra nitsangana tamin’ ny maty,nitafy ny vatana nofo sy taolana tsy mety maty.

Fantatra ny valin’ ny fanontanian’ i Joba nanao hoe: “Rahamaty ny olona, moa ho velona indray va izy?” rehefa nanatonany fasana i Maria sy ireo hafa ary nahita lehilahy roa mitafyakanjo lava midorehitra izay nilaza hoe: “Nahoana no ato amin’ny maty no itadiavanareo ny velona? Tsy ato Izy, fa efanitsangana.”14

Vokatry ny fandresen’ i Kristy ny fasana dia hitsangana amin’ny maty isika rehetra. Izany no fanavotana ny fanahy. Nanoratra iPaoly hoe: “Ary misy tenan’ ny any an-danitra, ary misy tenan’ny ety an-tany, fa hafa ny voninahitry ny any an-danitra, ary hafany an’ ny ety an-tany.”15

Ilay fanjakana selestialy no katsahintsika rehetra. Ny hiainaeo anatrehan’ Andriamanitra no iriantsika. Te-hiaraka eo anivon’ny fianakaviana mandrakizay isika. Ireo fitahiana ireo dia azoavy amin’ ny alalan’ ny fiainana feno ezaka, sy fikatsahana, aryfarany fahombiazana.

Avy aiza isika? Maninona eto? Ary handeha ho aiza aorian’ ityfiainana ity? Tsy voatery tsy ahitam-baliny ireo fanontanian’ izaotontolo izao ireo. Amin’ ny foko manontolo sy amim-panetren-tena no ilazako fa marina ireo zavatra noresahiko teo ireo.

Mifaly amin’ ireo izay mitandrina ny didiny ny Raintsika anyan-danitra. Sahiran-tsaina ny amin’ ilay zanany very koa Izy, nyamin’ ilay zatovo tsy miraika hanaraka ny lalana, ny amin’ ilaytanora nania, ary ny amin’ ireo ray aman-dreny tsy tompon’andraikitra. Miresaka am-pitiavana amin’ ireo ny Mpampianatra

F I V O R I A N A A L A H A D Y M A R A I N A

196

Page 203: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

1.2.3.

4.5.

6.

7.

8.9.

10.11.12.

13.14.15.

ary ho antsika rehetra koa, manao hoe: “Miverena. Miakara.Mandrosoa. Modia. Mankanesa atỳ amiko.”

Hankalaza ny Paska isika afaka herinandro. Hitodika anyamin’ ny fiainan’ ny Mpamonjy, sy ny fahafatesany ary nyFitsanganany tamin’ ny maty ny eritreritsika. Amin’ ny maha-vavolombelony manokana ahy dia mijoro ho vavolombelonaaminareo aho fa velona Izy ary miandry ny fiverenantsika amim-boninahitra. Ny mba ho tahaka izany ny fiverenantsika, izany novavaka ataoko amim-panetrentena amin’ ny anaranymasina—dia i Jesoa Kristy, Mpamonjy sy Mpanavotra antsika,amena.

FanamarihanaMatio 6:19–21.Asan’ ny Apôstôly 17:29.Fotopampianarana syFanekempihavanana 88:15.Hebreo 12:9.Fotopampianarana syFanekempihavanana 76:24.William Wordsworth, Ode:Intimations of Immortality fromRecollections of Early Childhood,(1884), 23–24.Jaona 14:2–3.

Jereo ny Matio 5:48; 3 Nefia 12:48.Hebreo 12:1.Mpitoriteny 9:11.Joba 14:14.Jereo ny Robert Blatchford, MoreThings in Heaven and Earth:Adventures in Quest of a Soul (1925),11.Almà 40:11–12.Lioka 24:5–6.1 Korintiana 15:40.

T H O M A S S . M O N S O N

197

Page 204: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

F I V O R I A N A A L A H A D Y T O L A K A N D R O | 1 A p r i l y 2 0 1 2

Ny Herin’ ny FanafahanaNataon’ ny Loholona L. Tom PerryAo amin’ ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifolo

Afaka ny ho afaka amin’ ny fomba ratsy sy nyfaharatsiana isika amin’ ny alalan’ ny fitodihana anyamin’ ny fampianaran’ ny soratra masina.

Manana namana iray tena akaiky ahy aho izay nandefakaravato vaovao ho ahy hanaovana mandritra ny fivorianahandraisako fitenenana, isaky ny fihaonamben’ ny Fiangonana.Tena mahay mifidy izy e? Sa ahoana ny hevitrareo?

Manana olana sarotra vitsivitsy io tanora namako io.Mametra azy izany amin’ ny lafiny iray saingy amin’ ny lafinyiray dia tena mahatalanjona izy. Ohatra ny fahasahiany nandritrany naha-misiônera azy dia azo oharina amin’ ny an’ ireozanakalahin’ i Mosià. Ny fahatsoran’ ny finoany dia mahatongaizany ho mafy orina tsara. Mino aho fa ny tao an-tsain’ i Scott diahoe tsy mampino izany hoe ny olon-drehetra dia tsy mpikamban’ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny AndroFarany ary ny olon-drehetra dia mbola tsy namaky ny Bokin’ iMôrmôna ary tsy manana fijoroana ho vavolombelona mikasikany fahamarinan’ izany.

Mamela ahy ianareo hitantara zava-nitranga iray teo amin’ny fiainan’ i Scott rehefa nandeha fiaramanidina irery voalohanyizy mba hitsidika ny rahalahiny. Nisy namana iray teoakaikikaiky teo izay nandre ny resadresaka nifanaovan’ i Scotttamin’ ilay olona teo akaikiny:

“Manahoana! I Scott no anarako. Iza no anaranao?”Nilaza ny anarany ilay nipetraka teo akaikiny.“Inona no asanao?”“Injeniera aho.”

198

Page 205: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

“Tsara kosa izany. Aiza ianao no mipetraka?”“Any Las Vegas.”“Manana tempoly izahay any. Fantatrao ve hoe aiza ny

tempolin’ ny Môrmôna any?”“Eny! Tena tranobe mahafinaritra izany.”“Môrmôna ve ianao?”“Tsia.”“Tokony ho izy mihitsy ianao. Tena fivavahana mahafinaritra

izany. Efa namaky ny Bokin’ i Môrmôna ve ianao?”“Tsia.”“Tokony hamaky izany ianao. Boky tena tsara izany.”Miombon-kevitra tanteraka amin’ i Scott aho—ny Bokin’ i

Môrmôna dia boky tena tsara tokoa. Ny tenin’ ny MpaminanyJoseph Smith voasoratra ao amin’ ny pejy fampidirana ny Bokin’i Môrmôna dia tena manan-danja lehibe ho ahy foana:“Nolazaiko ireo rahalahy fa ny Bokin’ i Môrmôna no bokymarina indrindra amin’ ny boky rehetra eto an-tany sy vatoifaharan’ ny fivavahantsika, ary hanatona bebe kokoa an’Andriamanitra ny olona amin’ ny fanarahana ny fepetra aoanatiny toy izay ny ao anatin’ ny boky hafa.”

Amin’ ity taona ity mandritra ny kilasin’ ny Sekoly Alahadydia mandalina ny Bokin’ i Môrmôna isika. Rehefa miomana symandray anjara isika, dia enga anie isika mba harisika hanarakany ohatra feno fahasahiana nananan’ i Scott hizara nyfitiavantsika an’ ity soratra masina miavaka ity amin’ ireo olonahafa tsy mitovy finoana amintsika.

Ilay lohahevitra lehibe ao amin’ ny Bokin’ i Môrmôna diaambara ao amin’ ny andininy farany ao amin’ ny toko voalohan’ny 1 Nefia. Nanoratra i Nefia hoe: “Nefa indro, izaho Nefia diahaneho aminareo fa ny halehiben’ ny famindram-pon’ ny Tompodia amin’ ireo rehetra izay efa nofinidiny, noho ny finoany, kamampahery azy na dia hatrany amin’ ny herin’ ny fanafahanaaza” (1 Nefia 1:20).

Te-hiresaka mikasika ny fomba hanafahan’ ny Bokin’ iMôrmôna antsika aho, izay famindram-po malefaky ny Tomponatokany ho an’ izao andro farany izao, amin’ ny alalan’ nyfampianarana antsika ny fotopampianaran’ ny Tompo amin’ nyfomba madio sy “faran’ izay marina.”

L . T O M P E R R Y

199

Page 206: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Maro amin’ ireo tantaran’ ny Bokin’ i Môrmôna no tantaramikasika ny fanafahana. Ny niaingan’ i Lehia ho any an-tanyfoana niaraka tamin’ ny fianakaviany dia momba ny fanafahanatamin’ ny faharavan’ i Jerosalema. Ny tantaran’ ny Jaredita diatantaram-panafahana, tahaka ny tantaran’ ny Miolekita. I AlmàZandriny dia nafahana tamin’ ny fahotana. Ireo zatovolahymiaramilan’ i Helamàna dia nafahana tamin’ ny ady. Nafahanatao an-tranomaizina i Nefia sy Lehia. Ny lohahevitry nyfanafahana dia tena miharihary ao anatin’ ny Bokin’ i Môrmônairay manontolo.

Misy tantara roa tena mitovy ao amin’ ny Bokin’ i Môrmônaary mampianatra lesona manan-danja iray. Ny voalohany dia avyamin’ ny bokin’ i Môsià, manomboka eo amin’ ny toko faha 19.Eto isika dia mianatra fa ny Mpanjaka Limia dia nonina tao amin’ny tanin’ i Nefia. Niady tamin’ ny vahoakan’ i Limia nyLamanita. Ny vokatry ny ady dia ny namelan’ ireo Lamanita nyMpanjaka Limia mba hanapaka eo anivon’ ny vahoakany ihany,kanefa dia mbola ho eo ambanin’ ny ziogany izy ireo. Fiadananatena tsy nampahazo aina izany. (Jereo ny Mosià 19–20.)

Rehefa tofoky ny fanararaotan’ ny Lamanita ny vahoakan’ iLimia, dia nandresy lahatra ny mpanjakany izy ireo mba hiadyamin’ ny Lamanita indray. In-telo resy ny vahoakan’ i Limia.Enta-mavesatra tokoa no niantsorohan’ izy ireo. Farany diananetry tena izy ireo ary nitalaho mafy tamin’ ny Tompo mbahanafaka azy ireo. (Jereo ny Mosià 21:1–14.) Ny andininy 15 aoamin’ ny toko 21 dia milaza amintsika ny valintenin’ ny Tompohoe: “Ary ankehitriny ny Tompo dia nitaredretra tamin’ nyfihainoana ny fitalahoany noho ny helony; na dia teo aza izany,dia nihaino ny fitalahoany ny Tompo, ary nanomboka nanalefakany fon’ ny Lamanita, hany ka dia nanomboka nohamaivaniny nyentany; saingy tsy hitan’ ny Tompo ny mahamety ny hanafahanaazy hiala amin’ ny fanandevozana.”

Taoriana kelin’ ny nahatongavan’ i Amôna sy ireo vondron-dehilahy kely avy any Zarahemla, ary niaraka tamin’ iGideona—iray amin’ ireo mpitarika ny vahoakan’ i Limia—diananamboatra drafitra izy ireo, izay nahomby, ary dia tafavoakatamin’ ny fanararaotan’ ny Lamanita. Nitaredretra ny Tomponihaino ny fitalahoany. Nahoana? Noho ny helok’ izy ireo.

F I V O R I A N A A L A H A D Y T O L A K A N D R O

200

Page 207: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Ny tantara faharoa dia misy itovizany amin’ ilay voalohanyeo amin’ ny lafiny maro saingy samy hafa izy ireo. Ilay tantaradia voarakitra ao amin’ ny Mosià 24.

I Almà sy ny vahoakany dia nipetraka tao amin’ ny tanin’ iHelama, rehefa nanatona ny sisin-tanin’ izany tany izany ireotafiky ny Lamanita. Nihaona izy ireo ary nitady vahaolana hisian’ny fandriampahalemana. (Jereo ny Mosià 23:25–29.) Vetivetyanefa ny mpitarika ireo Lamanita dia nanomboka naneryhanaovana ny sitrapony tamin’ ireo vahoakan’ i Almà arynametraka enta-mavesatra teo amin’ izy ireo (jereo ny Mosià24:8). Hitantsika ao amin’ ny andininy 13 hoe: “Ary ny zava-nitranga dia tonga taminy tao amin’ ny fahoriany ny feon’ nyTompo, nanao hoe: Atrakao ny lohanareo ary manànafahatokiana, satria fantatro ny fanekempihavanana izay efanataonareo Tamiko; ary Izaho hanao fanekempihavanana amin’ny oloko sy hanafaka azy hiala amin’ ny famatorana.”

Nafahana teo an-tanan’ ny Lamanita ny vahoakan’ i Almà,ary afaka niverina soa aman-tsara niara-niaina tamin’ nyvahoakan’ i Zarahemla.

Inona no maha samy hafa ny vahoakan’ i Almà sy nyvahoakan’ ny Mpanjaka Limia? Mazava ho azy, fa betsaka nyfahasamihafana: ny vahoakan’ i Almà dia tiafandriampahalemana sy marin-toetra kokoa. Efa natao batisa izyireo ary nanao fanekempihavanana tamin’ ny Tompo. Nanetrytena teo anoloan’ ny Tompo izy ireo na dia talohan’ nyfanombohan’ ny fahoriany aza. Ireo fahasamihafana rehetra ireodia tena nahamety na naha ara-drariny ny hanafahan’ ny Tompoazy ireo haingana amin’ ny fomba feno fahagagana. Ireo soratramasina ireo dia mampianatra antsika ny herim-panafahan’ nyTompo.

Ireo faminaniana izay efa voalaza mialoha momba ny fiainan’i Jesoa Kristy sy ny iraka nampanaovina azy dia mampanantenaantsika an’ ilay fanafahana izay homeny. Ny Sorompanavotanysy ny Fitsanganany tamin’ ny maty dia manome antsika rehetrany fahafahana amin’ ny fahafatesana ara-nofo, ary raha mibebakaisika, dia ho afaka amin’ ny fahafatesana ara-panahy, izaymitondra miaraka aminy ireo fitahian’ ny fiainana mandrakizay.Ny fampanantenan’ ny Sorompanavotana sy ny Fitsanganana

L . T O M P E R R Y

201

Page 208: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

amin’ ny maty, ny fampanantenan’ ny fanafahana avy amin’ nyfahafatesana ara-nofo sy ara-panahy, dia efa nambaran’Andriamanitra tamin’ i Mosesy rehefa niteny izy hoe: “Fa indrony asako sy ny voninahitro—ny hanatanteraka ny tsyfahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ ny olona” (Mosesy1:39).

Mifanohitra amin’ ireo finoana izay narafitra tsara ho antsikaao amin’ ny soratra masina, dia hitantsika izao ireo herim-panoheran’ ny tsy finoana izay manohitra ireo finoana mitoetrahatrizay ao anatin’ ny soratra masina —soratra izay nanomeantsika fitarihana tao anatin’ izay taonjato marobe izay kamamaritra ireo soatoavina sy fitsipika mandrakizay tokonyharahantsika eto amin’ ity fiainana ity. Milaza izy ireo fa nyfampianaran’ ny Baiboly dia diso ary efa lany andro nyfampianaran’ ilay Mpampianatra. Izy ireo dia manamafy fa nyolona tsirairay dia malalaka amin’ ny fametrahana izay fitsipikaho arahany. Miezaka ny manova ny zon’ ireo mpino izy ireo, izaymifanohitra amin’ ny ampianarina ao amin’ ny soratra masina syny tenin’ ny mpaminany.

Tena fitahiana lehibe ny manana ny tantara mikasika ny asananirahana ny Tompontsika sy ny Mpamonjy antsika izayambara ao amin’ ny Bokin’ i Môrmôna mba hanampianavavolombelona faharoa mikasika ny fotopampianarana voalazaao amin’ ny Baiboly. Nahoana no zava-dehibe ho an’ izao tontoloizao ny sady manana ny Baiboly no manana ny Bokin’ iMôrmôna? Mino aho fa ny valin’ izany dia hita ao amin’ ny tokofaha-13 ao amin’ ny 1 Nefia. Nanoratra i Nefia hoe: “Ary nitenytamiko ilay anjely nanao hoe: Ireto rakitsoratra farany ireto, izayefa tazanao teo anivon’ ny Jentilisa [Bokin’ i Môrmôna], nohampitoetra ny fahamarinan’ iretsy voalohany iretsy [ny Baiboly]izay an’ ny apostoly roa ambin’ ny folon’ ny Zanakondry aryhampahafantatra ny zavatra tsotra sy sarobidy izay efa nesorinatanatiny; ary hampahafantatra amin’ ny foko, sy ny samy hafafiteny, ary ny mponina rehetra fa ny Zanakondrin’ Andriamanitrano Zanaky ny Ray Mandrakizay sy Mpamonjy izao tontolo izao;ary ny olona rehetra dia tsy maintsy manatona Azy, fa raha tsyizany dia tsy azo vonjena izy.” (andininy 40).

F I V O R I A N A A L A H A D Y T O L A K A N D R O

202

Page 209: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Na ny Baiboly na ny Bokin’ i Môrmôna irery dia tsy ampy.Ilaintsika Izy roa mba hampianatra antsika sy hianarantsikamomba ny fotopampianarana fenon’ i Kristy. Ny filana ny iraydia tsy manamaivan-danja mihitsy ilay iray hafa. Ny Baiboly syny Bokin’ i Môrmôna dia samy ilaina ho an’ ny famonjena sy nyfisandratantsika. Nampianatra tamin’ ny fomba mahery vaika nyFiloha Ezra Taft Benson hoe: “Rehefa ampiasaina miaraka, nyBaiboly sy ny Bokin’ i Môrmôna dia mandresy tanteraka nyfotopampianarana diso izany” (“A New Witness for Christ,”Ensign, Nôv. 1984, 8).

Hofaranako amin’ ny filazako tantara roa ny teniko—ny irayavy amin’ ny Testamenta Taloha, ary ny iray ao amin’ ny Bokin’ iMôrmôna—mba hanehoana fa miara-miasa tsara ireo boky ireo.

Ny tantaran’ i Abrahama dia manomboka amin’ nyfanafahana azy tamin’ ireo Kaldeana mpanompo sampy (jereo nyGenesisy 11:27–31; Abrahama 2:1–4). Izy sy ny vadiny Saraha,taty aoriana dia nafahana tamin’ ny alahelon’ izy ireo ary nahazofampanantenana fa amin’ ny alalan’ ny taranak’ izy ireo dia hovoatahy ny firenen-drehetra eto an-tany (jereo ny Genesisy 18:18).

Ny Testamenta Taloha dia mirakitra ny tantaran’ i Abrahamanitondra an’ i Lota, zana-drahalahiny niaraka taminy niala tanyEgypta. Rehefa nomena ny fahafahana misafidy an’ izay tanytiany haleha i Lota dia nisafidy ny lemak’ i Jordana, nametrakany lainy nanatrika an’ i Sodoma, izay tanànan’ ny faharatsianalehibe (Jereo ny Genesisy 13:1–12.) Ny ankamaroan’ ny olananatrehan’ i Lota teo amin’ ny fiainany taty aoriana, ary maro izyireo, dia nitranga vokatry ny fanapahan-keviny hametraka nyvaravaran’ ny lainy hitodika any Sodoma.

I Abrahama, rain’ ny mahatoky, dia niaina fiainana hafa.Mazava ho azy fa betsaka ireo fanamby, kanefa dia fiainana fenofitahiana izany. Tsy fantatsika hoe nitodika taiza ny varavaran’ny lain’ i Abrahama, saingy misy fanoroana lehibe ao amin’ nyandininy farany ao amin’ ny toko faha 13 ao amin’ ny Genesisy.Izay milaza hoe: “Ary Abrama [na Abrahama] nifindrafindratoby, dia nandeha ka nonina teo an-kazo terebintan’ i Mamre,izay any Hebrona, ary nanorina alitara teo ho an’ i Jehovah izy.”(Genesisy 13:18).

L . T O M P E R R Y

203

Page 210: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Na dia tsy fantatro aza, dia mino manokana aho fa nyvaravaran’ ny lain’ i Abrahama dia nanatrika ny alitara izaynatsangany ho an’ ny Tompo. Ahoana no ahafahako milazaizany? Satria fantatro ny tantara ao amin’ ny Bokin’ i Môrmônamomba ny torolalan’ ny Mpanjaka Benjamina ho an’ nyvahoakany rehefa nivory mba hihaino ny lahateny faranynataony izy ireo. Nampianatra azy ireo ny Mpanjaka Benjaminamba hampanatrika ny varavaran’ ny lain’ izy ireo any amin’ nytempoly (jereo ny Mosià 2:1–6).

Afaka ny ho afaka amin’ ny fomba ratsy sy ny faharatsianaisika amin’ ny alalan’ ny fitodihana any amin’ ny fampianaran’ny soratra masina. Ny Mpamonjy no Mpanafaka Lehibe, satriamanafaka antsika amin’ ny fahafatesana sy ny fahotana Izy (jereony Romana 11:26; 2 Nefia 9:12).

Manambara aho fa i Jesoa no Kristy ary afaka ny hanakaikyAzy isika amin’ ny alalan’ ny famakiana ny Bokin’ i Môrmôna.Ny Bokin’ i Môrmôna dia testamenta iray hafa momba an’ i JesoaKristy. Ny testamenta voalohan’ ny Mpamonjy antsika dia nyTestamenta Taloha sy Vaovao—na ny Baiboly.

Averiko indray, aoka isika hahatsiaro ilay namaritan’ nynamako Scott ny Bokin’ i Môrmôna hoe: “Boky tena tsara izany.”Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa ny hatsaran’ ny Bokin’i Môrmôna amin’ ny ankapobeny dia avy amin’ ny firindran’izany amin’ ny Baiboly Masina, amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy,amena.

F I V O R I A N A A L A H A D Y T O L A K A N D R O

204

Page 211: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Mba Ho Hita Indray IzayVeryNataon’ ny Loholona M. Russell BallardAvy ao amin’ ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifolo

Rehefa mikatsaka ny hiaina ny filazantsara sy nyfotopampianaran’ i Kristy ianao dia hitarika anao sy nyfianakaviana ny Fanahy Masina.

Ry rahalahy sy rahavavy, araka ny soratra masina, ilayLiahôna dia “bola boribory iray izay araka ny fahaizana asakanto” ka nisy sahaza roa tanatin’ izany, ary ny iray nanondro diany lalana tokony halehan’ ny fianakavian’ i Lehia Rainy tany an-tany foana (1 Nefia 16:10).

Azoko an-tsaina ny antony nahataitra an’ i Lehia rehefanahita izany izy tamin’ ny voalohany, satria tsaroako ny fihetsikotamin’ ny vao nahita maso voalohany ny fiasan’ ny vondron’ nyzanabolana GPS aho. Ny tao an-tsaiko dia fitaovana maoderinairay “izay araka ny fahaizana asa kanto” izany. Ohatry ny toa tsyazoko saintsainina akory hoe iny fitaovana kely ao anatin’ nytelefaoniko iny dia afaka manondro mazava tsara ny toeranamisy ahy ary milaza amiko ny fomba ahatongavako any amin’ nytoerana tiako haleha.

Fitahiana ho ahy sy i Barbara vadiko ny GPS. Ho an’ iBarbara dia midika izany fa tsy mila miteny amiko mba hijanonaintsony izy sy manontany olona amin’ izay lalana tokony hoaleha. Ho ahy dia midika izany fa afaka manana ny rariny ahorehefa miteny hoe: “Tsy mila manontany na iza na iza aho.Fantatro tsara izay alehako.”

Ry rahalahy sy rahavavy, ankehitriny isika dia mananafitaovana izay mbola miavaka kokoa noho ny GPS tsaraindrindra. Misy fotoana, sy antony maro izay tsy ahitan’ ny olona

M . R U S S E L L B A L L A R D

205

Page 212: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

tsirairay ny lalany. Amin’ ny alalan’ ny bitsiky ny Fanahy Masinano ahafahantsika miverina eo amin’ ilay lalana marina ary nysorompanavotan’ ny Mpamonjy no afaka mampody antsika anyan-trano.

Azo lazaina fa sady mihatra amin’ ny fiaraha-monina iraymanontolo na amin’ ny olona tsirairay koa ny hoe very. Isikaankehitriny dia miaina ao anatin’ ny fotoana iray izay isian’ nyfisafotofotoana ao anatin’ ny ankamaroan-javatra eto amin’ ityizao tontolo izao ity, indrindra mikasika ireo soatoavina sy ireolaharampahamehana ao amin’ ny tokantranontsika.

Ny Filoha Joseph F. Smith zato taona lasa izay, dianampifandray mivantana ny fifaliana tamin’ ny fianakaviana arynamporisika antsika mba hampifantoka ny ezaka ataontsika aoanatin’ izany. Hoy izy hoe: “Tsy misy an’ izany hoe tena fifalianaizany izay misaraka amin’ ny tokantrano sy hita any ivelan’ nytokantrano. . . . Tsy misy ny fifaliana rehefa tsy misy nyfanompoana ary tsy misy fanompoana lehibe kokoa noho ilaymanova ny tokantrano ho rafitra masina sy mampivelatra arymiaro ny fiainam-pianakaviana. . . . Mila fivoarana nytokantrano” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph F. Smith[1998], 382, 384).

Mila fivoarana ny tokantranontsika sy ny fianakaviantsika aoanatin’ ity izao tontolo izao ity izay tsy mitsahatra mirona anyamin’ ny zavatra ara-nofo sy ny tsy finoana. Ny ohatra iraymahavariana mikasika an’ izany dia ny fitomboan’ ny tsyfiraharahiana ny fanambadiana eto Etazonia. Vao nanombokakely ity taona ity dia nanao tatitra ny gazety New York Times fa“ny isan’ ny zaza nateraky ny vehivavy tsy manambady dianitombo bebe kokoa indray: Ny antsasany mahery amin’ ny zazanateraky ny vehivavy Amerikana latsaky ny 30 taona dia ivelan’ny fanambadiana avokoa” (Jason DeParle and Sabrina Tavernise,“Unwed Mothers Now a Majority Before Age of 30,” New YorkTimes, 18 Feb. 2012, A1).

Fantatsika koa fa misara-panambadiana ny antsasany latsakaeo anivon’ ireo lehilahy sy vehivavy eto Etazonia izaymanambady. Na dia ireo izay mitoetra ho mpivady aza diamatetika lasa goragora noho ny famelana ireo zavatra hafahiditra ao anatin’ ny fifandraisan’ ny fianakaviana.

F I V O R I A N A A L A H A D Y T O L A K A N D R O

206

Page 213: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Mampiahiahy toy izany koa ilay lavaka mihalehibe foanaizay manasaraka ny manan-karena sy ny mahantra ary izaymanasaraka ireo izay miezaka ny miaro ny soatoavina sy nyfanoloran-tena mikasika ny fianakaviana sy ireo izay nitsahatratsy nanao izany intsony. Raha ara-tarehimarika dia ireo izay tsydia nandia fianarana loatra ary noho izany kely fidiram-bola notoa tsy dia manambady sy tsy miangona ary mety ho tafalatsakakokoa ao anatin’ ny fanaovana heloka sy ny fananan-jaza anyivelan’ ny fanambadiana. Ary ireo fironana ireo dia mampisyfikorontanana koa any amin’ ny faritra maro hafa eto amin’ izaotontolo izao. (Jereo W. Bradford Wilcox and others, “No Money,No Honey, No Church: The Deinstitutionalization of ReligiousLife among the White Working Class,” available atwww.virginia.edu/marriageproject/pdfs/Religion_WorkingPaper.pdf.)

Ny firoboroboana sy ny fahaizana anefa, izay mifanohitraamin’ ny eritreretin’ ny maro, dia toa mifandray amin’ ny tenamety hananana fianakaviana manaraka ny fomba nentim-paharazana sy ny soatoavina nentim-paharazana.

Ny fanontaniana tena mipetraka mazava ho azy dia mikasikany antony sy ny vokany. Moa ve manana soatoavina syfianakaviana mafy orina kokoa ny ampahany sasany ao amin’ nyfiaraha-monina satria manam-pahaizana sy miroborobo kokoa izyireo, na moa ve izy ireo manam-pahaizana sy miroborobo kokoasatria manana soatoavina sy fianakaviana izay mafy orina izyireo? Raha ato amin’ ity Fiangonana izay miely manerana an’izao tontolo izao ity dia fantatsika fa ilay farany no izy. Rehefamanao fanoloran-tena ao anatin’ ny fianakiavana syfanekempihavanana ara-pinoana ao anatin’ ny fitsipiky nyfilazantsara ny olona, dia manomboka mandroso kokoa ara-panahy izy ireo ary ara-nofo koa indraindray.

Ary mazava ho azy fa lasa mafy orina ny fiaraha-moninaamin’ ny ankapobeny rehefa mihamafy orina ny fianakaviana syny fanoloran-tena atao ao anatin’ ny fianakaviana. Ny fanoloran-tena amin’ ny fianakaviana sy ny soatoavina no anton-javatrafototra. Ny ambiny rehetra dia saika vokany avokoa. Rehefamivady ny lehilahy sy ny vehivavy ary mifanaofanekempihavanana izy ireo dia tena hampitombo be ny

M . R U S S E L L B A L L A R D

207

Page 214: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

tombontsoan’ izy ireo ara-pivelomana izany. Rehefa teraka aoanatin’ ny fanambadiana ny zanaka ary sady manana ray sy renydia mitombo be tokoa ny fananan’ izy ireo tombontsoa sy nymety tena hahazoan’ izy ireo fahombiazana eo amin’ ny asa. Aryrehefa miara-miasa sy miara-milalao ny fianakaviana diamivelatra ny mpifanolobodirindrina sy ny fiaraha-monina,mivoatra ny toe-karena ary mihena ny filana fandaharan’ asahanampiana ny mahantra ataon’ ny fanjakana ary mihena nyvola lany amin’ izany.

Noho izany, ny vaovao ratsy dia miteraka olana lehibe ara-piaraha-monina sy ara-toekarena ny faharavan’ ny fianakaviana.Saingy ny vaovao tsara kosa, toy ny hita ao anatin’ ny anton-javatra sy ny vokany rehetra, dia mety miova ireo olana ireo rahatoa ka ovaina ny antony mahatonga azy ireo. Voavaha ny zavatratsy ara-drariny amin’ ny alalan’ ny fiainana fitsipika sysoatoavina marina. Ry rahalahy sy rahavavy, ny anton-javatra tenamanan-danja indrindra eo amin’ ny fiainantsika manontolo diany fianakaviantsika. Raha toa isika ka manolo-tena hanatanterakaizany tanjona izany dia hivoatra ny lafiny rehetra eo amin’ nyfiainantsika ary ho lasa ohatra sy hazavana mpitarika ho an’ nyolona rehetra eto an-tany isika amin’ ny maha-olona sy amin’ nymaha-fiangonana antsika.

Saingy tsy mora izany ao anatin’ ilay izao tontolo izao, izaymitodika any amin’ ny lalana samifaha ny fo, ary ilay planetairay manontolo dia toa mandeha sy miova tsy tapaka ao anatin’ny hafainganam-pandeha izay tsy azon’ ny saina noeritreretinamihitsy taloha. Tsy misy intsony izany zavatra tsy miovamandritra ny fotoana ela izany. Miova ny fombafomba, nyfironana eo amin’ ny lafin’ ny haingo sy ny fahazarana, nyfahamarinana ara-pôlitika ary na dia ny fiheverana ny tsara sy nyratsy aza. Ny mpaminany Isaia dia nilaza mialoha fa ny ratsy diaholazaina ho tsara ary ny tsara holazaina ho ratsy (jereo ny Isaia5:20).

Ilay fisarahana ara-panahy eo amin’ ny tsara sy ny ratsy diamihalehibe mihitsy satria ny ratsy dia lasa mametsifetsy symamely tampoka bebe kokoa noho ny hatramin’ izay arymisintona ny olona ho any toy ny andriamby maizina—na diamisarika ireo madio am-po sy mendri-kaja eto an-tany izay

F I V O R I A N A A L A H A D Y T O L A K A N D R O

208

Page 215: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

mitady ny atao hoe madio ara-toe-tsaina amam-panahy sy nyatao hoe tsara aza ny filazantsaran’ ny fahamarinana sy nyfahazavana.

Mety kely ny isantsika raha oharina amin’ ny hafa, saingyamin’ ny maha-mpikamban’ ny Fiangonana antsika dia afakamiampita an’ ireo lavaka lehibe ireo isika. Fantatsika ny herin’ nyfanompoana mifototra ao amin’ i Kristy izay mampivondrona nyzanak’ Andriamanitra na manao ahoana na manao ahoana toe-piainany ara-panahy na ara-bola. Herintaona lasa izay dia nanasaantsika ny Fiadidiana Voalohany mba handray anjara amin’ ilayandro iray hankalazana ny faha-75 taona niorenan’ nyfandaharan’ asa izay mikasika ny fifanampiana amin’ ny alalan’ny fanampiana olona ho lasa mahaleo tena bebe kokoa. Ora an-tapitrisany maro no nolanian’ ireo mpikambana ato amintsikamanerana an’ izao tontolo izao nanaovana izany.

Ny Fiangonana dia tadintsambo ao anatin’ ilay ranomasinamitroatroatra ary vatofantsika ao anatin’ ny rano ahotakotaky nyfiovana sy ny fisaratsarahana ary hazavana mitarika ho an’ ireoizay manome hasina sy mitady ny fahamarinana. Ny Tompo diamampiasa ity Fiangonana ity mba hisintonana ny zananymanerana an’ izao tontolo izao hankany amin’ ny toeram-piarovana avy amin’ ny filazantsarany.

Ny fanahin’ i Elia izay tsy voafetra dia hery lehibe koa aoanatin’ ny tanjon’ ny Tompo mikasika ny fianakaviana ary aoanatin’ ny hoavin’ ireo zanany mandrakizay. Araka ny tenin’ iMalakia, ny Fanahin’ ny Fanahy Masina dia hampody “ny fon’ny ray amin’ ny zanaka, ary ny fon’ ny zanaka ho amin’ nyrainy” (Malakia 4:6).

Ny Fiangonana dia mijoro ho ohatra maneho ny fampodianany fo sy ho toy ny mpanova zavatra ho amin’ ny tsara ao anatin’izao tontolo izao. Raha eo anivon’ ireo mpikamban’ nyFiangonana izay nivady tany amin’ ny tempoly sy manatrika tsytapaka ny fivoriana Alahady dia tena ambanimbany kokoa nytahan’ ny fisaraham-panambadiana noho ny an’ izao tontolo izaoary ny fianakaviana dia mitoetra ho mifanakaiky kokoa symifandray matetika kokoa. Tsara kokoa ny fahasalaman’ nyfianakaviantsika ary miaina taona maro lavitra kokoa isika rahaoharina amin’ ny salan-taona hahafatesan’ ny mponina. Mitondra

M . R U S S E L L B A L L A R D

209

Page 216: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

anjara biriky bebe kokoa isika eo amin’ ny lafiny ara-bola aryfanampiana lehibe kokoa ho an’ ireo izay sahirana. Ary isika diatena mikatsaka bebe kokoa ny hanovo fianarana ambony. Tsy hoemba hieboeboana akory no antony nilazako an’ ireo zavatra ireofa mba hijoroana ho vavolombelona fa tsara kokoa ny fiainana(ary ahitana fifaliana kokoa) rehefa mitodika any amin’ nyfianakaviana ny fo ary rehefa miaina ao anatin’ ny hazavan’ nyfilazantsaran’ i Kristy ny fianakaviana.

Noho izany dia inona no azontsika atao mba tsy hahaveryantsika? Voalohany, dia toroako hevitra ianareo hoe sokajio izaylaharam-pahamehana. Avelao izay zavatra rehetra ataonareo anyivelan’ ny tokantrano mba ho fanampiny sy hanohanana nyzavatra miseho ao anatin’ ny tokantranonareo. Tadidio nytorohevitry ny Filoha Harold B. Lee hoe: “Ny asa manan-danjaindrindra . . . izay ho ataonareo hatramin’ izay dia ny asa izay hoataonareo ao an-tokantranonareo manokana” (Teachings ofPresidents of the Church: Harold B. Lee [2000], 134) ary ilaytorohevitry ny Filoha David O. McKay izay manan-kerymandrakizay manao hoe: “Tsy misy fahombiazana hafa afakamanonitra ny tsy fahombiazana ao an-tokantrano” (nampiasainatao amin’ ny J. E. McCulloch, Home: The Savior of Civilization[1924], 42; ao amin’ ny Conference Report, Apr. 1935, 116).

Arindrao ny fiainanareo manokana mba hananana fotoanahanaovana vavaka sy hamakiana ny soratra masina aryhanaovana ny fiaraha-mientan’ ny mpianakavy. Omeoandraikitra ao an-tokantrano izay hampianatra azy ireo ny fombafanaovana asa ny zanakareo. Ampianaro izy ireo fa ny fiainanany filazantsara dia hampanalavitra azy ireo amin’ ny fahalotoanasy ny tsy fahadiovam-pitondrantena ary ny herisetra hita amin’ny Internet sy ny haino aman-jery ary ny jeux vidéos. Tsy ho veryizy ireo ary ho vonona ny handray andraikitra rehefa omena azyireo izany.

Faharoa, isika dia tokony hanao ireo zavatra araka ny tenafilaharany! Fanambadiana aloha dia avy eo fianakaviana. Maroloatra eto amin’ izao tontolo izao no nanadino izany filaharan-javatra ara-boajanahary izany ary mieritreritra fa afaka manovana mamadika izany mihitsy aza izy ireo. Esory amin’ ny alalan’

F I V O R I A N A A L A H A D Y T O L A K A N D R O

210

Page 217: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

ny finoana ny tahotrao. Matokia an’ ilay herin’ Andriamanitraizay hitarika anao.

Ho anao izay tsy mbola manambady ataovy mifantoha amin’ny fitadiavana an’ ilay ho namanao mandrakizay. Ry tovolahyisany, tsarovy ilay zavatra iray hafa nolazain’ ny Filoha Joseph F.Smith hoe: “Ny fitovoana . . . dia [mitondra] ao anatin’ ilay sainamarivo salosana ilay hevitra hoe tena tsara [izany] satria lasamihakely ny andraikitra sahanina. . . . Any amin’ ny tovolahy nomianjera ilay tena fahadisoana. Ny tsy fisian’ ny famerana an’ilay taona maha-mpitovo azy dia mitondra azy ireo hiala aoamin’ ny lalan’ ny fandraisana adidy sy andraikitra. . . . Ireoanabaviny ao amin’ ny filazantsara no ianjadian’ ny tsy rariny . . .[ary] hanambady izy ireo raha afaka manao izany ary hanaikyamim-pifaliana ireo andraikitra sahanina ao anatin’ ny fiainam-pianakaviana.” (Gospel Doctrine, 5th ed. [1939], 281).

Ary ho anareo tovovavy dia te-hanampy aho hoe tokony tsyhanadino izany andraikitra izany ianareo. Tsy misy asa izayafaka mitondra fahafaham-po lehibe noho ny fikarakaranafianakaviana. Ary rehefa tonga amin’ ny taonako ianareo dia hotsapanareo bebe kokoa izany.

Fahatelo, ry mpivady! Tokony ho mpiara-miasa mitovy lentaianareo ao amin’ ny fanambadianareo. Vakio ilay fanambaranamikasika ny fianakaviana ary ataovy izay ahatakarana izany syhanarahana izany. Ialao ny fampiharana fitondrana tsy marinaamin’ ny endriny rehetra. Tsy misy na iza na iza tompon’ nyvady na zanatsika. Andriamanitra no Raintsika rehetra arynanome antsika tombontsoa hahazoana ilay fianakaviantsikamanokana Izy izay Azy irery ihany teo aloha mba hanampianaantsika hitovy bebe kokoa Aminy. Amin’ ny maha-zananyantsika dia tokony hianatra ny hitia an’ Andriamanitra isika aoan-tokantrano ary tokony hahafantatra fa afaka mangatakaAminy izay fanampiana ilaintsika isika. Ny olona rehetra namanambady na mpitovo dia afaka ny ho faly sy hanehofanohanana ao anatin’ izay fianakaviana misy azy.

Ary farany dia ampiasao ireo loharano ho an’ ny fianakaviana aoamin’ ny Fiangonana. Rehefa mitaiza ny zanaka dia afaka mitadyfanampiana avy amin’ ny paroasy ny fianakaviana. Miarahamanohana sy miasa amin’ ireo mpitarika ao amin’ ny fisoronana

M . R U S S E L L B A L L A R D

211

Page 218: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

sy ny vondrona fanampiny ary araraoty tanteraka ireotombontsoa azo avy amin’ ny fandaharan’ asa ho an’ ny tanora syny fianakaviana ao amin’ ny Fiangonana. Tsarovy ity teny irayhafa tena manaitra ny saina izay avy amin’ ny Filoha Lee ityhoe—ny Fiangonana no fototra izay anorenantsika nyfianakaviantsika. (jereo ny Teachings: Harold B. Lee [2000], 148).

Ankehitriny raha toa ianao manokana ka very na veryianareo amin’ ny maha-fianakaviana iray anareo noho ny antonyiray, dia ilay fampianaran’ ny Mpamonjy avy ao amin’ ny Liokatoko faha-15 no hany ilainareo ampiharina. Ny Mpamonjy aoanatin’ izany dia miresaka momba ny ezaka nataon’ ny mpiandryondry iray izay nitady ilay ondry very sy momba ny vehivavyiray izay nitady ilay farantsakely very ary momba ilay fitsenanaan’ ilay zanaka adala izay niverina nody. Nahoana i Jesoa nonampianatra ireo fanoharana ireo? Tiany isika hahafantatra fa naiza na iza amintsika tena ho very dia hahita foana ny lalantsikaisika amin’ ny alalan’ ny Sorompanavotany sy ny Fampianarany.

Rehefa mikatsaka ny hiaina ny filazantsara sy nyfotopampianaran’ i Kristy ianao dia hitarika anao sy nyfianakaviana ny Fanahy Masina. Hanana GPS ara-panahy ianaoizay hilaza aminao foana ny toerana misy anao sy ny lalanaalehanao. Mijoro ho vavolombelona aho fa tia antsika rehetra ilayMpamonjin’ ny olombelona nitsangana tamin’ ny maty ary rahamanaraka Azy isika dia hitondra antsika soa aman-tsara hiverinaeo anatrehan’ ny Raintsika any an-danitra Izy, ary izany noijoroako ho vavolombelona amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy,amena.

F I V O R I A N A A L A H A D Y T O L A K A N D R O

212

Page 219: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Manana ny Fahitana mbaHandraisana AndraikitraNataon’ ny Loholona O. Vincent HaleckAo amin’ ny Fitopololahy

Raha toa isika ka te hiroborobo fa tsy te ho very, dia tsymaintsy manana fahitana mikasika antsika isika tahakany fahitan’ ny Mpamonjy antsika.

Tahaka ireo ray aman-dreny tsara rehetra, ny ray aman-dreniko dia naniry hoavy mamirapiratra ho an’ ireo zanany. Nyraiko dia tsy mpikambana, ary satria noho ny toe-draharaha tsydia nahazatra niseho tamin’ izany fotoana izany, dia tapa-kevitrany ray aman-dreniko fa tokony handao an’ i Samoa Amerikanaizay nosy fiavianay izaho sy ireo rahalahiko sy anabaviko, mbahandeha ho any Etazonia hianatra.

Sarotra be tamin’ ireo ray aman-dreninay indrindra fa ho an’ny reniko ny fanapahan-kevitra hisaraka aminay. Fantatr’ izy ireofa hisy ireo fanamby tsy fantatra satria hipetraka any amin’ nytontolo vaovao izahay. Kanefa, niaraka tamin’ ny finoana sy nyfanapahan-kevitra, dia niroso nanatanteraka ny drafiny izy ireo.

Noho ny nitaizana reniko ho Olomasin’ ny Andro Farany, diaefa tsy zoviana taminy intsony ny fitsipiky ny fifadian-kanina syny vavaka, ary ireo ray aman-dreninay dia samy nahatsapa famila ny fitahian’ ny lanitra izy ireo hanampy ireo zanany.Niaraka tamin’ izay faniriana izay dia nanomboka nanokanaandro iray isan-kerinandro hifadiana hanina sy hivavahana hoanay izy ireo. Ny tanjon’ izy ireo dia ny hanomana ny zanak’ izyireo hanana hoavy mamirapiratra. Nandray andraikitra izy ireoteo anatrehan’ izany tanjona izany, raha nampihatra ny finoanytamin’ ny alalan’ ny fikatsahana ny fitahian’ ny Tompo. Tamin’ny alalan’ ny fifadian-kanina sy ny vavaka dia nahazo

O . V I N C E N T H A L E C K

213

Page 220: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

fanomezan-toky sy fankaherezana ary fahatonian-tsaina izy ireofa handeha tsara avokoa ny zava-drehetra.

Rehefa eo anivon’ ireo fanambin’ ny fiainantsika isika diaahoana no fomba ahazoantsika fahitana izay ilainahanatanterahana ireo zavatra izay hampanakaiky antsika kokoaamin’ ny Mpamonjy? Raha mikasika izay fahitana izay diamampianatra antsika an’ ity fahamarinana ity ny bokin’ nyOhabolana: “Raha tsy misy fahitana, dia atondraka hanaram-poamin’ izay tsy mety ny olona” (Ohabolana 29:18). Raha toa isikaka te hiroborobo fa tsy te ho very, dia tsy maintsy mananafahitana mikasika antsika isika tahaka ny fahitan’ ny Mpamonjyantsika.

Ny Mpamonjy dia nahita zavatra tsara bebe kokoa tamin’ireo mpanarato be fanetren-tena ireo izay nantsoiny hanarakaAzy noho ny tamin’ ny vao nahitany azy ireo tamin’ nyvoalohany. Izy dia nahita fahitana hoe ho lasa inona izy ireo anyaoriana. Fantany ny hatsaran’ izy ireo sy ny hery anaty ananan’izy ireo ary dia nandray andraikitra niantso azy ireo Izy. Tsynanana traikefa izy ireo tany am-piandohana, fa rehefa nanarakateny izy ireo, dia nahita ny ohatra nasehony sy nahatsapa nyfampianarany ary lasa mpianany. Nisy ny fotoana izaynandaozan’ ny mpianany sasany Azy satria ny zavatra henon’izy ireo dia sarotra tamin’ izy ireo. Rehefa tsapan’ i Jesoa fa metyhandeha koa ny hafa, dia nanontany an’ ireo Roambinifololahyizy hoe: “Hianareo koa va mba te-hiala?” (Jaona 6:67). Nyvalintenin’ i Petera dia nampiseho fa niova izy ary nahatakatrahoe iza ny Mpamonjy. “Hankany amin’ iza moa izahay? Hianaono manana ny tenin’ ny fiainana mandrakizay” (Jaona 6:68), hoyny navaliny.

Niaraka tamin’ izay fahitana izay, ireo mpianatra mahatokysy be fanoloran-tena ireo dia afaka nanatanteraka zavatra sarotrarehefa nandeha nitory ny filazantsara izy ireo sy nanorina nyFiangonana taorian’ ny nandehanan’ ny Mpamonjy. Tamin’ nyfarany dia nisy tamin’ izy ireo nahafoy ny ainy mihitsy noho nyfijoroany ho vavolombelona.

Misy ohatra hafa ao amin’ ny soratra masina mikasika an’ireo izay nahazo ilay fahitana mikasika ny filazantsara arynandray andraikitra teo anatrehan’ izany fahitana izany. Ny

F I V O R I A N A A L A H A D Y T O L A K A N D R O

214

Page 221: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

mpaminany Almà dia nahazo ny fahitany rehefa nandre an’ iAbinadia nampianatra sy nijoro ho vavolombelona tamim-pahasahiana teo anoloan’ ny Mpanjaka Noa. Nandray andraikitrateo anatrehan’ ny fampianaran’ i Abinadia i Almà ary nandehanampianatra ireo zavatra nianarany sy nanao batisa olona maroizay nino ny teniny (Jereo ny Mosià 17:1–4; 18:1–16).). Raha taoanatin’ ny fanenjehana ireo Olomasina fahiny ny Apôstôly Paolydia niova fo teny amin’ ny lalana nankany Damaskosy izy ary dianandray andraikitra tamin’ ny alalan’ ny fampianarana syfijoroana ho vavolombelona momba an’ i Kristy (jereo ny Asan’ny Apôstôly 9:1–6, 20–22, 29).

Amin’ izao androntsika izao dia maro ireo tovolahy syzatovovavy ary mpivady efa lehibe izay namaly ny antson’ nympaminanin’ Andriamanitra mba hitory ny filazantsara. Miarakaamin’ ny finoana sy ny herimpo dia mandao ny tokantranony syny zava-drehetra mahazatra azy izy ireo noho ny finoan’ izy ireoan’ ilay soa lehibe azon’ izy ireo atao amin’ ny maha-misiôneraazy ireo. Rehefa mandray andraikitra eo anatrehan’ ilay fahitanyizy ireo ka mandeha manompo dia mitahy fiainan’ olona maro,ary manova ny fiainan’ izy ireo manokana koa ao anatin’ izany.Tamin’ ny fihaonamben’ ny Fiangonana lasa teo, dia nisaotraantsika ny Filoha Thomas S. Monson tamin’ ny fifanompoananataontsika ary nampatsiahy antsika an’ ilay andraikitsika mbaho toy ny tanan’ Andriamanitra hitahy ireo zanany eto an-tany(jereo “Mandra-pihaonantsika Indray,” Liahona, Nôv. 2011, 108).Nahafaly ny fo ny fahatontosan’ izany andraikitra izany rehefanandray andraikitra teo anatrehan’ izany fahitana izany nympikamban’ ny Fiangonana.

Rehefa takatry ny Mpamonjy talohan’ ny nandehanany famila fanampiana isika, dia hoy izy hoe: “Tsy hamela anareo hokamboty Aho” (Jaona 14:18). Nampianatra ny mpianany izy hoe:“fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ ny Rayamin’ ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetrasy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaikotaminareo” (Jaona 14:26). Io ihany ilay Fanahy Masina izay afakamanome hery antsika sy mamporisika antsika hanao ireo zavatraizay ampianarin’ ny Mpamonjy sy ny mpaminanintsika syApôstôlintsika amin’ izao fotoana izao.

O . V I N C E N T H A L E C K

215

Page 222: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Rehefa arahantsika asa ny fampianaran’ ny mpitarika antsika,dia mahazo fahatakarana lalina kokoa an’ ilay fahitan’ nyMpamonjy ho antsika isika. Nandritra ity fihaonambe ity, dianahazo torolalana manentana ny fanahy isika avy amin’ nympaminany sy ny apôstôly. Halalino ny fampianaran’ izy ireo arysaintsaino ao am-ponareo izany miaraka amin’ ny fikatsahana nyFanahy Masina mba hanampy anareo hahazo fahitana mikasikaan’ ireo fampianarana ireo eo amin’ ny fiainanareo. Eo anatrehan’izany fahitana izany, dia ampiharo ny finoanareo ary araho asany torohevitr’ izy ireo.

Fakafakao ary halalino ny soratra masina miaraka amin’ nysaina handray hazavana sy fahalalana bebe kokoa avy amin’ nyhafatr’ izy ireo ho anao. Saintsaino ao am-ponao izy ireo aryavelao izy ireo hanentana ny fanahinao. Ary manaova asa eoanatrehan’ izay fanentanam-panahy azonao.

Toy ilay zavatra nianaranay amin’ ny maha-fianakavianaanay, dia hoe mandray andraikitra isika rehefa mifady hanina symivavaka. I Almà dia nilaza fa ny fifadian-kanina sy ny vavakadia fomba iray hahazoana fananana antoka rehefa nilaza izy hoe:“Nifady hanina sy nivavaka andro maro aho mba hahazoan’ nytenako mahafantatra ireny zavatra ireny” (Almà 5:46). Isika koadia lasa mahafantatra ny fomba hiatrehana ireo fanamby eoamin’ ny fiainantsika amin’ ny alalan’ ny fifadian-kanina syvavaka.

Miaina zavatra sarotra isika eo amin’ ny fiainantsika izaymatetika afaka mampihena ny fahitantsika sy ny finoantsika mbahanao ireo zavatra izay tokony hataontsika. Lasa sahirana loatraisika ary matetika mahatsapa ho rempotra sy tsy afaka manao nainona na inona intsony. Satria samihafa avokoa isika rehetra, diaamim-panetrentena no anoroako hevitra hoe tsy maintsymampifantoka ny fahitantsika amin’ ny Mpamonjy sy nyfampianarany isika. Inona no zavatra hitany tamin’ i Petera, iJakoba, ary i Jaona sy ireo Apôstôly hafa izay nahatonga Azyhandray andraikitra ka hanasa azy ireo mba hanaraka Azy?Tahaka ny fahitany azy ireo koa, ny Mpamonjy dia mananafahitana lehibe hoe ho lasa inona isika any aoriana. Ilaintsika nyfananana ny finoana sy herimpo nananan’ ireo apôstôlyvoalohany mba hahafahantsika mifantoka indray amin’ ireo

F I V O R I A N A A L A H A D Y T O L A K A N D R O

216

Page 223: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

zavatra tena manan-danja izay mitondra hasambarana maharitrasy hafaliana lehibe.

Rehefa mandalina ny fiainan’ ny Mpamonjy sy nyfampianarany isika, dia hitantsika eo anivon’ ny olona Izy kamampianatra, mivavaka, manome hery, ary manasitrana. Rehefamanaraka ny ohatra nasehony isika ary manao ny zavatrahitantsika ataony, dia manomboka mahita fahitana an’ ilay hoeho lasa inona isika any aoriana. Hahazo fahiratan-tsaina mbahanao tsara bebe kokoa ianao amin’ ny alalan’ ny fanampian’ nyFanahy Masina. Ho tonga ny fiovana, ary hitondra lamina hafa eoamin’ ny fiainanao ianao izay hitahy anao sy ny fianakavianao.Nandritra ny asa fanompoany teo anivon’ ireo Nefita, diananontany ny Mpamonjy hoe: “Karazana olona toa inona moaianareo?” Dia namaly izy hoe: “Tahaka Ahy” (3 Nefia 27:27). Milany fanampiany isika mba ho tonga tahaka Azy, ary efa nasehonyantsika ny lalana: “Koa, mangataha dia handray ianareo;dondòny dia hovohana ianareo; fa izay mangataka no mahazo;ary izay mandondona no hovohana” (3 Nefia 27:29).

Fantatro fa rehefa mahazo fahitana mikasika antsika isikatahaka ny fahitan’ ny Mpamonjy antsika, ary rehefa mandrayandraikitra eo anatrehan’ izany fahitana izany isika, dia hovoatahy amin’ ny fomba maro tsy ampoizina ny fiainantsika.Noho ilay fahitana nananan’ ny ray aman-dreniko, dia tsy hoenomena fitahiana mba handrato fahalalana fotsiny aho teo amin’ny fiainako fa tafiditra tao anatin’ ny toe-javatra izay nahafahakonahita sy nandray ny filazantsara. Ny tena zava-dehibe, dianianatra ny dikan’ ny hoe ray aman-dreny tsara sy mahatokyaho. Amin’ ny teny tsotra dia niova tanteraka ny fiainako.

Ny fahitana nananany no nitarika ny ray aman-drenikohifady hanina sy hivavaka ho an’ izay mahasoa ny zanany ary nyfahitana nananan’ ireo apôstôly fahiny no nitarika azy ireohanaraka ny Mpamonjy, ary mbola eo ihany izany fahitana izanymba hanentana ny fanahintsika sy hanampy antsika handrayandraikitra. Ry Rahalahy sy rahavavy, isika dia olona mananatantara eo amin’ ny fahitana ary manana finoana sy ny herimpohandray andraikitra. Jereo ny lalana nodiavintsika ary nyfitahiana efa azontsika! Minoa fa afaka manome fahitana anao Izy

O . V I N C E N T H A L E C K

217

Page 224: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

eo amin’ ny fiainanao sy manome herimpo handraisanaandraikitra.

Mijoro ho vavolombelona aminareo ny amin’ ny Mpamonjysy ny faniriany mba hiverenantsika any Aminy aho. Mbahahatanteraka izany, dia tsy maintsy manana finoana mbahandray andraikitra isika—dia ny hanaraka Azy ary ho tongatahaka Azy izany. Ao anatin’ ireo fotoana maro samihafa eoamin’ ny fiainantsika, dia manolotra ny tanany Izy ary manasaantsika:

“Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sadytsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ nyfanahinareo hianareo.

“Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako. (Matio11:29–30).

Tahaka ny nahitan’ ny Mpamonjy ny hery anaty lehibenananan’ ireo mpianany fahiny, dia mahita an’ izany zavatraizany koa Izy ao anatintsika. Aoka isika mba hahita ny tenantsikatahaka ny hahitan’ ny Mpamonjy antsika. Mivavaka aho mbahananantsika izany fahitana izany miaraka amin’ ny finoana syherimpo handray andraikitra, amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy,amena.

F I V O R I A N A A L A H A D Y T O L A K A N D R O

218

Page 225: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Araky ny Fitsipiky nyFahamarinana Irery IhanyNataon’ ny Loholona Larry Y. WilsonAo amin’ ny Fitopololahy

Ny ray aman-dreny hendry dia manomana ny zanak’izy ireo hahavita izany tsy misy azy ireo. Manomefahafahana hivoatra izy ireo rehefa manovofahamatorana ara-panahy ny ankizy mba hahafahan’izy ireo mampihatra araka ny tokony ho izy nyfahafahan’ izy ireo misafidy

Iray volana na nihoatra kely taorian’ ny nivadianay, dianandeha dia lavitra tamin’ ny fiara izaho sy ny vadiko. Izy nonitondra fiara ary izaho kosa niezaka niala sasatra. Niezaka hoyaho satria ny lalambe izay nizoranay dia malaza amin’ nyfisakanan’ ny pôlisy noho ny fandehanana mafy loatra, ary nyvadiko dia mety nanana fahazarana nandeha mafy tamin’ izanyfotoana izany. Hoy aho hoe: “Mandeha mafy loatra ianao.Mandehana mora.”

“Hoy ilay vao lasa vadiko tany an’ eritreriny, “efa am-polotaonany izao no nitondrako fiara ary ankoatra ny mpampianatranitondra fiara ahy, dia tsy nisy olona niteny ahy amin’ ny fombafitondrako fiara.” Ary dia hoy ny navaliny ahy hoe: “Inona nomanome anao zo hiteny ahy amin’ ny fomba fitondrako fiara?”

Tena marina fa nampitandrina ahy ny fanontanian’ nyvadiko. Noho izany raha mba nanao izay tsara indrindra avyamiko aho mba handray ny andraikitro vaovao amin’ ny maha-vady ahy, dia hoy aho hoe: “Tsy fantatro— satria vadinao aho aryizaho mihazona ny fisoronana.”

L A R R Y Y . W I L S O N

219

Page 226: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Ry rahalahy ity misy fanorotoroana kely fotsiny: raha toaianareo efa sendra toe-javatra mitovitovy amin’ izany, dia tsyizany no valiny mety. Ary faly aho mitatitra fa izay ihany nofotoana tokana nanaovako izany hadisoana izany.

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia manazavafa ny zo ampiasana ny fisoronana ao an-tokantrano na any amin’ny toeran-kafa dia mifandray mivantana amin’ ny fahamarinanaeo amin’ ny fiainantsika: “Ny herin’ ny lanitra dia tsy azofehezina na ampiasaina raha tsy araka ireo fitsipiky nyfahamarinana.”1 Mitohy milaza izany fa tsy hanana izany heryizany isika rehefa “mampiasa fifehezana na fanjakazakana nafanerena amin’ ny fanahin’ ny [olon-kafa], na manao ahoana namanao ahoana ampahan’ ny tsy fahamarinana.”2

Ity soratra masina ity dia milaza fa tokony hitarika amin’ nyalalan’ ny “fitsipiky ny fahamarinana” isika. Izany fitsipika izanydia ampiharina amin’ ny mpitarika rehetra ao amin’ nyFiangonana ary amin’ ireo ray sy ny reny rehetra ao an-tokantranony ihany koa.3 Very ny zontsika amin’ ny fananana nyFanahin’ ny Tompo sy ny fahefana hafa rehetra azontsika avyamin’ Andriamanitra rehefa mampihatra fifehezana tsy ara-drariny amin’ ny olon-kafa isika.4 Mety hieritreritra isika fa izanyfomba izany dia hitondra soa ho an’ ilay olona “voafehy.” Kanefaisaky ny manandrana manery olona iray hanaraka nyfahamarinana isika, olona izay afaka sy tokony hampihatra nyfahafahany misafidy, dia manao ny tsy rariny. Rehefa mametrakafetra henjana ho an’ ny olona iray mba hisian’ ny lamina isika, diatokony hotanterahina miaraka amin’ ny faharetana feno fitiavanasy amin’ ny fomba izay mampianatra ny fitsipika mandrakizayizany famerana zany.

Tsy afaka manery tsotra izao ny hafa isika hanao ny zavatratsara. Ny soratra masina dia milaza mazava tsara fa tsy izany nofomban’ Andriamanitra. Ny fanerena dia manangona lolom-po.Mahatonga tsy fahatokisana izany ary mitarika ny olonahahatsapa fa tsy mahay izy ireo. Ny fahafahana mianatra dia hovery rehefa mieritreritra amim-panambonian-tena ny olonamifehy fa manana ny valiny marina rehetra ho an’ ny hafa izy.Ny soratra masina dia nilaza fa “efa toetra sy efa saika fomban’ny olon-drehetra” ny mampihatra avy hatrany fitondrana tsy

F I V O R I A N A A L A H A D Y T O L A K A N D R O

220

Page 227: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

marina,5 ka tokony ho mailo isika fa fandrika moramahavoafandrika izany. Ny vehivavy koa dia mety mampihatraizany fitondrana tsy marina, na dia miantefa kokoa amin’ ireolehilahy aza izany olana izany ao amin’ ny soratra masina.

Ny fitondrana tsy marina dia matetika miaraka amin’ nyfitsikerana tsy tapaka ary tsy fanomezana sitraka na fitiavana.Ireo izay iharan’ izany dia hahatsapa fa izy ireo dia tsy hahazositraka na oviana na oviana amin’ ny mpitarika sy ireo ray aman-dreny ary dia tsy hahomby foana izy ireo. Ny ray aman-drenyhendry dia tsy maintsy mahazaka rehefa vonona ny hanombokahampihatra ny fahafahany misafidy amin’ ny sehatra miavakairay eo amin’ ny fiainany ireo zanany. Kanefa rehefa mihazona nyfahefana rehetra amin’ ny fanapahan-kevitra ny ray aman-drenyary mandray izany ho toy ny “zony,” dia tena mametra nyfivoarana sy ny fivelaran’ ireo zanany izy ireo.

Voafetra ihany ny fotoana hijanonan’ ny zanatsika ao an-tokantranontsika. Raha toa isika ka miandry ny fotoanahandaozany ny tokantranontsika vao hamela azy ireo hampiasaizany fahafahana misafidy izany, dia niandry ela loatra isika. Tsyhahay tampotampoka eo handray fanapahan-kevitra hendry izyireo raha toa ka tsy mbola nanana fahafahana velively mbanandray fanapahan-kevitra manan-danja tao an-tokantranontsika. Ny ankizy toy izany dia na matetika mikomyamin’ izany fanerena izany na tratran’ ny tsy fahaizana mandrayfanapahan-kevitra ho an’ ny tenany manokana.

Ny ray aman-dreny hendry dia manomana ny zanak’ izy ireohahavita izany tsy misy azy ireo. Manome fahafahana hivoaranaizy ireo eo rehefa manovo ny fahamatorana ara-panahy ireozanaka mba hahafahan’ izy ireo mampihatra araka ny tokony hoizy ny fahafahan’ izy ireo misafidy. Ary mazava ho azy, ny dikan’izany dia matetika ny zanaka hanao fahadisoana mba hahafahan’izy ireo mianatra avy amin’ izany.

Ny fianakavianay dia niaina zavatra iray izay nampianatraanay momba ny fanampiana ny zanaka hampivelatra nyfahafahan’ izy ireo manao safidy. Ny zanakay vavy, Mary, diampilalao baolina kitra malaza tamin’ ny mbola zatovo. Indraytaona ny ekipany dia tonga tany amin’ ny lalao famaranana, aryaraky ny vinavinantsika rehetra, dia ho tanterahina andro

L A R R Y Y . W I L S O N

221

Page 228: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Alahady izany lalao izany. Amin’ ny maha-zatovo azy, dia an-taonany maro no nampianarana an’ i Mary fa ny andro Sabatadia natao ho andro fitsaharana sy fanavaozana ny hery ara-panahy, fa tsy fialam-boly. Kanefa dia mbola nahatsapa fanerenaavy tamin’ ny mpanazatra sy ny ekipany ny hilalaovany izy arykoa ny faniriany tsy hamela ny ekipany ho resy.

Nanontany anay ny tokony ho ataony izy. Afaka nandraymora foana teo amin’ ny toerany ilay fanapahan-kevitra izaho syny vadiko. Kanefa dia nanapa-kevitra izahay taorian’ nyfandinihana ombam-bavaka fa raha amin’ ity toe-javatra ity diaefa vonona ny zanakay vavy handray andraikitra ara-panahyamin’ izay fanapahan-kevitra horaisiny manokana. Namakysoratra masina niaraka taminy izahay, ary namporisika an’ i Maryhivavaka sy hisaintsaina momba izany.

Andro vitsivitsy taty aoriana dia nolazainy ny fanapahan-keviny. Hilalao amin’ ny andro Alahady izy. Inona ary no hoataonay izao? Taorian’ ny fifanakalozan-kevitra fanampiny synandraisana ny fanomezan-toky avy amin’ ny Fanahy dianotanterahanay araka ny nampanantenanay ny hamela azyhanao ny safidiny mba hilalao. Taorian’ ny fiafaran’ ny lalao, dianandeha tsimoramora nanatona ny reniny izay efa niandry azy iMary. “Neny a!” hoy izy, “tena nahatsiravina iny. Tsy te-hahatsapazavatra tahaka izany intsony aho. Tsy hilalao amin’ ny androSabata intsony aho.” Ary dia tsy nanao izany intsony izy.

Takatr’ i Mary mivantana tamin’ izay ny fitsipiky nyfitandroana ny andro Sabata. Raha toa ka nanery azy izahay tsyhilalao, dia ho nosakananay tsy hahazo fampianarana maheryvaika avy amin’ ny Fanahy izy.

Araka ny hitanareo, ny fanampiana ny zanaka hampihatra nyfahafahany misafidy araka ny tokony ho izy dia mitaky nyfampianarana azy ireo hivavaka sy handray ny valin’ ny vavak’izy ireo. Tsy maintsy misy koa ny fampianarana momba ny lanjasy ny tanjon’ ny fankatoavana ary koa momba ireo fitsipiky nyfilazantsara hafa manan-danja.6

Teo amin’ ny fitaizana ny fianakavianay dia nanapa-kevitraizahay fa ny tanjonay lehibe indrindra dia ny hanampy nyzanakay hanorina ny fifandraisan’ izy ireo manokana amin’ nylanitra. Fantatray fa mila miankin-doha tanteraka amin’ ny

F I V O R I A N A A L A H A D Y T O L A K A N D R O

222

Page 229: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Tompo izy ireo amin’ ny farany, fa tsy aminay. Nilaza i BrighamYoung hoe: “Raha toa aho ka hisafidy amin’ ny adidy rehetra izaytakiana amin’ ny . . . zanak’ olombelona, . . . dia apetrakovoalohany, ary alohan’ ny zava-drehetra ny adidy amin’ nyfikatsahana . . . ny Tompo Andriamanitsikamandrapanokafantsika ny lalam-pifandraisan’ ny lanitra amin’ny eto an-tany—avy amin’ Andriamanitra mankany amin’ nyfanahintsika.”7

Efa nandray ny valin’ ireo vavaka nataony tao anatin’ ny toe-javatra hafa niseho taloha i Mary, ka dia natoky izahay fa nyzanakay vavy dia nampivelatra ity lalam-pifandraisana teo amin’ny lanitra sy ny fiainany ity. Noho izany dia nianatra zavatratsara izy avy tamin’ ny zavatra niainany ary nanana fitaovanahanaovana safidy tsaratsara kokoa amin’ ny ho avy. Raha tsymisy ny fifandraisana amin’ ny Fanahy, dia lasa mandrayfanapahan-kevitra tsy zarizary izay mifanaraka amin’ ny sainyny zanaka sy ny ray aman-dreny amin’ ny anaran’ nyfampiharan’ izy reo ny fahafahany misafidy. Ny fampanantenan’ny soratra masina dia hoe “ireo izay hendry . . . sy nandray nyFanahy Masina ho mpitari-dàlana azy . . . [dia tsy ho] voafitaka.”8

Ny vokany iray fanampiny sady mahatsiravina avy amin’ nyfitondrana tsy marina dia ny fahaverezan’ ny fahatokiana nyfitiavan’ Andriamanitra. Nahafantatra olona vitsivitsy aho izayteo ambanin’ ny ziogan’ ny mpitarika na ny ray aman-dreny izaybe baiko sy mamehy, ary hitan’ izy ireo fa mafy ny mahatsapailay fitiavana lehibe avy amin’ ny Ray any an-danitra izayhanohana sy handrisika azy ireo ao anatin’ ilay lalan’ nyfahamarinana.

Raha toa isika ka te-hanampy ireo izay hiadidiantsika mbahanao izay hananana ilay fifandraisana manan-danja amin’ nylanitra dia tokony ho toy ilay karazan’ ny ray aman-dreny sympitarika nofaritan’ ny Fotopampianarana syFanekempihavanana fizarana 121 isika. Isika dia tsy maintsymandray andraikitra amin’ ny alalan’ ny “fandresen-dahatra, nyfahari-po, ny hatsaram-panahy sy ny hamoram-po ary nyfitiavana tsy mihatsaravelatsihy”9 Ny Filoha Henry B. Eyring dianiteny hoe: “Amin’ ny fanampiana rehetra izay azontsika omena. . . ny tanora, ny lehibe indrindra dia ny mamela azy ireo

L A R R Y Y . W I L S O N

223

Page 230: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

1.

2.

3.

4.

5.

6.

7.

8.

9.

10.

11.

12.

hahatsapa ny fahatokiantsika fa eo amin’ ny lalana mody anyamin’ Andriamanitra izy ireo ary vitan’ izy ireo izany.”10

Rehefa mieritreritra ireo fitsipika izay hitarika antsika anyam-piangonana sy any an-tokantrano isika dia mamela ahyianareo hamarana amin’ ny alalan’ ny ohatra avy amin’ nyfilazalazana ny mombamomba ny Filoha Thomas S. Monson. IAnn Dibb, zanakavavin-dry Monson, dia nilaza fa hatramin’ izao,rehefa tonga eo amin’ ny varavarana fidirana ny trano nitaizanaazy izy, dia milaza ny rainy hoe: “Oay e! jereo anie iza ity tongaity e! Tena faly izahay ary jereo anie ny hatsaran-tarehiny e!” Arydia tohizany hoe: “Mandoka ahy foana ny ray aman-dreniko, namanao ahoana na manao ahoana ny bika aman’ endriko na inonana inona nataoko. . . . Rehefa mandeha mitsidika ny ray aman-dreniko aho dia fantatro fa misy mpitia aho, misy mpandoka aho,ary raisina an-tanan-droa foana aho, teo ao an-trano aho.”11

Rahalahy sy ranabavy, izany no fomban’ ny Tompo. Na diaefa nailika aza ianao tany aloha tany, dia fantatro fa tian’ nyTompo ianao hanatona Azy.12 Tiany avokoa ny rehetra. Raisinaan-tanan-droa avokoa ny rehetra. Amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy,amena.

FanamarihanaFotopampianarana syFanekempihavanana121:36.Fotopampianarana syFanekempihavanana 121:37;nampiana fanamafisana.Jereo ny Neal A. Maxwell, “Put Offthe Natural Man, and Come OffConqueror,” Tambuli, Jan. 1991,13–14.Jereo ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 121:37.Fotopampianarana syFanekempihavanana 121:39.Jereo ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 68:25–29.

Teachings of Presidents of the Church:Brigham Young (1997), 44.Fotopampianarana syFanekempihavanana 45:57.Fotopampianarana syFanekempihavanana 121:41–42.Henry B. Eyring, “Help Them onTheir Way Home,” Liahona, Mey2010, 25.Heidi S. Swinton, To the Rescue: TheBiography of Thomas S. Monson(2010), 372.Jereo Matio 11:28.

F I V O R I A N A A L A H A D Y T O L A K A N D R O

224

Page 231: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Mendrika ny Natao VeIzany?Nataon’ ny Loholona David F. EvansAo amin’ ny Fitopololahy

Ny fizarana ny filazantsara amin’ ny fomba mandehaho azy sy tsotra amin’ ireo olona izay tiantsika dia hoasan’ ny fiainantsika sy ho fifaliana eo amin’ nyfiainantsika

Nandritra ity fihaonambe ity sy ireo fivoriana vao hainganahafa,1 dia maro amintsika no nanontany tena hoe: inona no azokoatao hanampiana amin’ ny fananganana ny Fiangonan’ nyTompo ary hahitana ny fivoarana marina eo amin’ ny toeranamisy ahy?

Amin’ ity sy ireo ezaka hafa tena manan-danja, ny tena asamanan-danja ataontsika dia ny eo an-tokantranontsika sy nyfianakaviantsika.2 Eo anivon’ ireo fianakaviana no hanorenana nyFiangonana ary hitrangan’ ny fivoarana marina.3 Milamampianatra ny zanatsika ny fitsipika sy ny fotopampianaran’ny filazantsara isika. Mila manampy azy ireo hanana finoana an’ iJesoa Kristy isika ary manomana azy ireo hatao batisa rehefa fenovalo taona izy ireo.4 Mila mahatoky isika mba hahafahan’ izy ireomahita ny ohatra asehontsika eo amin’ ny fitiavana ny Tompo syny Fiangonana. Izany dia hanampy ireo zanatsika hahatsapahafaliana amin’ ny fitandremana ny didy, hasambarana eo amin’ny fianakaviana, ary ny fankasitrahana amin’ ny fanompoana nyhafa. Tokony hanaraka ny fakantahaka nomen’ i Nefia isika aoan-tokantranontsika rehefa niteny izy hoe:

“Fa miasa araka ny zotom-po isika . . . handresy lahatra nyzanatsika . . . [h]ino an’ i Kristy, sy hihavana amin’Andriamanitra. . . .

D A V I D F . E VA N S

225

Page 232: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

“. . . Ary miresaka an’ i Kristy isika, mifaly amin’ i Kristy,mitory an’ i Kristy, maminany ny amin’ i Kristy, ary manoratraaraka ny faminaniantsika mba hahafantaran’ ny zanatsika nyloharano azony andrandraina ho famelana ny fahotany.”5

Miasa amim-pahavitrihana isika mba hitondra ireo fitahianaireo ho an’ ireo zanatsika amin’ ny alalan’ ny fandehanana anyam-piangonana miaraka amin’ izy ireo, fanaovana takarivan’ nympianakavy, ary ny famakiana soratra masina miaraka.Mivavaka isan’ andro miaraka amin’ ny fianakaviantsika isika,manaiky antso, mitsidika ny marary sy ny manirery, ary manaozavatra hafa izay mampahafantatra ny zanatsika fa tiantsika izyireo ary tiantsika ny Ray any an-danitra, ny Zanany ary nyFiangonany.

Isika dia miresaka sy maminany momba an’ i Kristy rehefamanome ny leson’ ny takarivan’ ny mpianakavy na mipetrakamiaraka amin’ ny ankizy iray ary milaza ny fitiavantsika azy syny fijoroantsika ho vavolombelona mikasika ny filazantsaranaverina tamin’ ny laoniny.

Afaka manoratra momba an’ i Kristy isika amin’ ny alalan’ nyfanoratana taratasy ho an’ ireo izay lavitra. Ho voatahy noho ireotaratasy soratantsika ireo misiônera manompo, ireo zanakalahyna zanakavavy izay miaramila, ary ireo olon-tiantsika. Nytaratasy avy any an-trano dia tokony tsy ho e-mail maimaika befotsiny. Ny tena taratasy dia manome zavatra azo tazonina,saintsainina ary ankafizina.

Manampy ireo zanatsika isika hiankina amin’ nySorompanavotan’ ny Mpamonjy ary hahafantatra ny famelan-keloky ny Ray any an-danitra be fitiavana amin’ ny alalan’ nyfanehoam-pitiavana sy famelan-keloka amin’ ny maha-ray aman-dreny antsika. Tsy mampanakaiky ireo zanatsika amintsikafotsiny ihany ny fitiavana sy ny famelan-keloka fa koa manorinany finoan’ izy ireo amin’ ny fahafantarana fa ny Ray any an-danitra dia tia azy ireo ary hamela ny helok’ izy ireo rehefamiezaka ny mibebaka sy manao zavatra tsara kokoa izy ireo arymiezaka ny ho tsaratsara kokoa. Mahatoky ity fahamarinana ityizy ireo satria efa niaina izany koa avy tamin’ ny ray aman-drenin’ izy ireo tety an-tany.

F I V O R I A N A A L A H A D Y T O L A K A N D R O

226

Page 233: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Ho fanampin’ ny asa izay hataontsika eo anivon’ nyfianakaviantsika, dia nampianatra i Nefia fa “miasa araka nyzotom-po isika . . . handresy lahatra . . . ny rahalahintsika, mbahinoany an’ i Kristy sy hihavanany amin’ Andriamanitra.”6

Amin’ ny maha-mpikamban’ ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ ny Andro Farany antsika, dia manana ny fitahianasy ny andraikitra hizara ny filazantsara ny tsirairay avyamintsika. Ny sasany amin’ ireo izay mila ny filazantsara eoamin’ ny fiainany dia mbola tsy mpikamban’ ny Fiangonana. Nysasany dia mety efa niaraka tamintsika kanefa mila mahatsapaindray ny hafaliana tsapan’ izy ireny fony izy ireny nandray nyfilazantsara tany aloha tany teo amin’ ny fiainan’ izy ireo. Samytian’ ny Tompo na ireo olona mbola tsy nandray ny filazantsarana ny olona izay miverina Aminy.7 Tsy mampaninona izany hoAzy sy ho antsika. Asa iray avokoa izany. Ny hasarobidin’ nyfanahy izany, na inona na inona toe-javatra misy azy ireo, nozava-dehibe eo amin’ ny Raintsika any an-danitra, sy nyZananilahy, ary eo amintsika.8 Ny asan’ ny Ray any an-danitra syny Zanany dia ny “hitondra ny tsy fahafatesana sy ny fiainanamandrakizay”9 ho an’ ny zanany rehetra, na inona na inonamitranga amin’ izy ireo amin’ izao fotoana izao. Ny fitahiana hoantsika dia ny manampy ao anatin’ ity asa lehibe ity.

Ny Filoha Thomas S. Monson dia nanazava ny fombahanampiantsika rehefa niteny izy hoe: “Ny zavatra niainantsikanandritra ny fanaovana asa fitoriana dia tsy tokony ho lanyandro. Tsy ampy fotsiny ny mipetraka ary misaintsaina ireozavatra niainana taloha. Mba hahatsapana fahavitan-javatra diatokony manohy mizara ny filazantsara amin’ ny fomba mandehaho azy sy tsotra ianao.”10

Ny fizarana ny filazantsara amin’ ny fomba mandeha ho azysy tsotra amin’ ireo olona izay tiantsika dia ho asan’ nyfiainantsika sy fifaliana eo amin’ ny fiainantsika. Mamelà ahyianareo hilaza momba ny zava-nitranga roa mikasika izany.

I Dave Orchard dia lehibe teto Salt Lake City, arympikamban’ ny Fiangonana avokoa ny ankamaroan’ ny namany.Ohatra tsara ho azy izy ireo. Tetsy andanin’ izany, ireo mpitarikaao amin’ ny Fiangonana nipetraka tany akaikiny dia nanasa azytsy tapaka hanatrika ireo fiaraha-mientana. Nanao toy izany koa

D A V I D F . E VA N S

227

Page 234: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

ireo namany. Na dia tsy lasa mpikambana aza izy tamin’ izanyfotoana izany, dia voatahy tamin’ ny hery mitaona avy amin’ ireonamana tsara Olomasin’ ny Andro Farany sy ny fiaraha-mientan’ny Fiangonana tao anatin’ ireo taona nitomboany. Rehefanamonjy ny oniverste izy, dia nifindra ka niala tao amin’ ny tranofonenany, ary ny ankamaroan’ ny namany dia lasa nandehanitory ny filazantsara avokoa. Nahatsapa ny fahabangan’ nyfitaoman’ izy ireo teo amin’ ny fiainany izy.

Mbola tavela tany an-tranony ny iray tamin’ ireo naman’ iDave tany amin’ ny sekoly ambaratonga faharoa. Nihaona isan-kerinandro tamin’ ny evekany ity namany ity izay teo am-panaovana ezaka rehetra mba hanitsy ireo tsy mety eo amin’ nyfiainany mba hahafahany ho misiônera. Lasa niara-nanofa tranoizy sy i Dave, ary toy ny zavatra mandeha ho azy sy tsotra, dianiresaka momba ny antony tsy mbola naha-misiônera azy sy nyny antony hihaonany matetika amin’ ny evekany izy ireo.Naneho ny fankasitrahany sy ny fanajany ny evekany ilaynamana ary ny amin’ ny fahafahana hibebaka sy hanompo. Avyeo dia nanontany an’ i Dave izy raha toa ka te-ho tonga amin’ nytafa sy dinika manaraka. Hafa tokoa izany fanasana izany!Kanefa noho ny finamanana sy ny toe-javatra niainan’ izy ireodia toy ny mandeha ho azy sy tsotra izany.

Nanaiky i Dave ary vetivety foana izy dia nihaona mitokanatamin’ ny eveka. Izany dia nitarika ny fanapahan-kevitr’ i Davehihaona amin’ ny misiônera. Nahazo fijoroana ho vavolombelonaizy fa marina ny filazantsara, ary dia napetraka ny datin’ nybatisany. Nataon’ ny evekany batisa i Dave, ary herintaona tanyaoriana dia nivady tao amin’ ny tempoly i Dave Orchard sy iKatherine Evans. Manan-janaka mahafinaritra dimy izy ireo. IKatherine dia zandriko vavy. Tena feno fankasitrahana amin’ ilaynamana tsara io aho izay niaraka tamin’ ilay eveka tsara,nitondra an’ i Dave tato am-piangonana.

Rehefa niresaka momba ny fiovam-pony i Dave ary nijoro hovavolombelona momba izany tranga izany, dia nanontany izyhoe: “Mendrika ny natao ve izany? Moa ve ny ezaka rehetranataon’ ireo namana sy mpitarika ny tanora ary ny evekako,nandritra izay taona rehetra izay, dia mendrika ny ezakananaovana batisa tovolahy iray monja?” Nanondro an’ i

F I V O R I A N A A L A H A D Y T O L A K A N D R O

228

Page 235: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Katherine sy ny zanany dimy izy ary nanao hoe: “Mazava ho azyfa ho an’ ny vadiko sy ireo zanako dimy dia eny ny valiny.”

Isaky ny zaraina ny filazantsara dia tsy mba ho an’ ny“tovolahy iray monja” velively izany. Rehefa mitranga nyfiovam-po na misy olona iray miverina amin’ ny Tompo, diafianakaviana iray manontolo no voavonjy. Rehefa nihalehibe nyzanak’ i Dave sy i Katherine, dia samy nandray tsara nyfilazantsara avokoa izy rehetra. Misiônera ny vavy iray sy lahyroa ary ny iray vao avy nandray ny antsony hanompo any amin’ny Misiônan’ i Alpine miteny Alemana. Ireo zokiny roa dia samyefa nanambady tany amin’ ny tempoly avokoa, ary ny zandrinyindrindra dia any amin’ ny sekoly ambaratonga faharoa izao,mahatoky amin’ ny endriny rehetra. Mendrika ny natao veizany? Eny, tena mendrika ny natao izany.

Ny Rahavavy Eileen Waite dia namonjy ilay fihaonamben’ nytsatòka nilazan’ i Dave Orchard momba izany fiovam-pony izany.Nandritra ilay fihaonambe, ny hany zavatra tao an-tsainy dia nyfianakaviany, fa indrindra indrindra ny rahavaviny, Michelle,izay efa nanalavitra ny Fiangonana. I Michelle dia nisara-badyary niezaka namelona zaza efatra. Nahatsapa i Eileen fa tokonyhanome azy ny tahadikan’ ny boky nosoratan’ ny LoholonaM. Russell Ballard, dia ny Notre Recherche du Bonheur, niarakatamin’ ny fijoroany ho vavolombelona, ary dia nataony izany. Nyherinandro manaraka izay dia nisy namana iray nilaza tamin’ iEileen fa nahatsapa koa izy fa mila mifandray amin’ i Michelle.Nanoratra ho an’ i Michelle izy izay nizarany ny fijoroany hovavolombelona sy nanehoany ny fitiavany azy. Moa tsymahaliana ve ny fiasan’ ny Fanahy matetika amin’ ny olona maroho an’ ny olona iray izay mila fanampiana.

Nandeha ny fotoana. Niantso an’ i Eileen i Michelle arynisaotra azy tamin’ ilay boky. Nilaza izy fa nanombokanahafantatra ny fahabangana ara-panahy teo amin’ ny fiainany.Nilaza taminy i Eileen fa fantany fa ny fiadanana izay katsahinydia hita ao amin’ ny filazantsara. Nolazainy taminy fa tiany izyary tiany mba ho faly izy. Nanomboka nanisy fiovana teo amin’ny fiainany i Michelle. Vetivety izy dia nifanena tamin’ nylehilahy mahafinaritra iray izay mazoto tao am-piangonana.Nivady izy ireo ary herintaona taty aoriana dia nofehezina tao

D A V I D F . E VA N S

229

Page 236: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

amin’ ny tempolin’ i Ogden, Utah. Vao haingana, nyzanakalahiny 24 taona dia natao batisa.

Ho an’ ny hafa ao amin’ ny fianakavian’ i Michelle sy ireohafa rehetra izay mbola tsy mahafantatra fa marina ityFiangonana ity, manasa anareo aho mba hikatsaka ombam-bavaka raha marina ity Fiangonana ity. Avelao ny fianakavianaosy ny namanao ary ny misiônera hanampy. Rehefa fantatrao famarina izany, satria marina izany, dia tongava miaraka aminayamin’ ny fanaovana izany dingana izany eo amin’ ny fiainanao.

Ny faran’ ity tantara ity dia mbola tsy voasoratra, fa ireofitahiana dia nomena ity vehivavy mahafinaritra ity sy nyfianakaviany satria nandray andraikitra rehefa nahazo bitsikaireo tia azy ary nizara tamin’ ny fomba mandeha ho azy sy tsotrany fijoroan’ izy ireo ho vavolombelona ary nanasa azy mbahiverina.

Nieritreritra lalina momba ireo zava-niseho roa ireo aho.Tovolahy iray izay niezaka nanitsy ny fiainany manokana arynanampy zatovolahy iray nikatsaka ny fahamarinana. Vehivavyiray izay nizara ny fijoroana ho vavolombelony sy ny finoanytamin’ ny rahavaviny izay nanalavitra ny Fiangonana efa ho 20taona. Raha toa ka mivavaka isika ary mangataka ny Ray any an-danitra hoe iza no azontsika ampiana ary mampanantenahandray andraikitra araka ny bitsika izay omeny isika mbahampahanfantarana antsika ny fomba ahafahantsika manampydia hamaly ny vavaka ataontsika Izy ary ho tonga fitaovana eoam-pelatanany hanao ny asany isika. Ny fandraisana andraikitraamim-pitiavana araky ny bitsika azo avy amin’ ny alalan’ nyFanahy dia ho fitaovana hitondra fiovana goavana.11

Rehefa nihaino ireo toe-javatra izay izarana amin’ ny fombamandeha ho azy sy tsotra ny filazantsara amin’ ireo olona izaytianareo ianareo dia maro aminareo no efa niaina zavatra mitovytamin’ ny an’ i Eileen Waite. Mety efa nieritreritra olona iray izaytokony hanatonana ianao na hasaina hiverina na mba hizaranaony zavatra tsapanao momba ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy. Nyfanasana arosoko dia ny fandraisana andraikitra tsy misy hatak’andro eo anatrehan’ izany bitsika izany. Miresaha amin’ nynamanao na amin’ ny olona ao amin’ ny fianakavianao. Ataovyamin’ ny fomba mandeha ho azy sy tsotra izany. Ampahafantaro

F I V O R I A N A A L A H A D Y T O L A K A N D R O

230

Page 237: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

1.

2.

3.

4.

5.6.7.8.

9.10.

11.

12.

13.

azy ireo ny fitiavanao sy ny fitiavan’ ny Tompo azy. Afakamanampy ireo misiônera. Ny torohevitro dia mitovy amin’ ny an’ny Filoha Monson izay efa nomeny im-betsaka teto amin’ itypolpitra ity, “Aza mba mangataka andro rehefa mandraybitsika.”12 Rehefa mandray andraikitra mifanaraka amin’ irenybitsika ireny ianao ary manao izany amim-pitiavana, dia jereo nyfampiasan’ ny Ray any an-danitra ny fahavononanao hiasahitondra fahagagana eo amin’ ny fiainanao sy eo amin’ nyfiainan’ ireo olona tianao.13

Ry rahalahiko sy anabaviko malala, afaka manorina nyFiangonany isika ary mahita ny fivoarana marina raha toa kamiasa mba hitondra ny fitahian’ ny filazantsara eo amin’ nyfianakaviantsika sy ireo izay tiantsika isika. Ity no asan’ nyRaintsika any an-danitra sy ny Zanany. Fantatro fa velona izy ireoary mamaly vavaka. Rehefa mandray andraikitra arak’ izanybitsika izany isika, ary mino ny fahafahan’ izy ireo hitondrafahagagana, dia hiseho eo amintsika ny fahagagana ary hiova nyfiainana. Amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.

FanamarihanaJereo ny Formation Mondiale desDirigeants, 11 Feb 2012, LDS.org.Jereo ny Teachings of Presidents of theChurch: Harold B. Lee (2000), 134.Jereo ny Boyd K. Packer,“Priesthood Power in the Home,”Formation Mondiale desDirigeants, 11 Feb 2012, LDS.org.Jereo ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 68:25–28.2 Nefia 25:23, 26.2 Nefia 25:23.Jereo ny Lioka 15:4–7.Jereo ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 18:10.Mosesy 1:39.“Status Report on MissionaryWork: A Conversation with ElderThomas S. Monson, Chairman ofthe Missionary Committee of theCouncil of the Twelve,” Ensign,Ôkt. 1977, 14.Jereo ny Thomas S. Monson,“Anxiously Engaged,” Liahona,

Nôv. 2004, 56–59; “To the Rescue,”Liahona, Jolay 2001, 57–60; “TheDoorway of Love,” Liahona, Ôkt.1996, 2–7.Jereo ny Ann M. Dibb, “My FatherIs a Prophet” (Brigham YoungUniversity–Idaho devotional, Feb.19, 2008), byui.edu/devotionalsandspeeches;Thomas S. Monson, “Stand in YourAppointed Place,” Liahona, Mey2003, 54–57; “Peace, Be Still,”Liahona, Nôv. 2002, 53–56;“Priesthood Power,” Liahona, Jan.2000, 58–61; “The Spirit GivethLife,” Ensign, Mey 1985, 68–73.Ho fanampin’ ny fampianaran’ nyFiloha Thomas S. Monson dianampianatra ity fitsipika ity koaireo mpaminany hafa. Ohatra, nyFiloha Spencer W. Kimball dianampianatra ny maha-zava-dehibeny fandraisana andraikitra eoanatrehan’ ny zavatra tsapa avy

D A V I D F . E VA N S

231

Page 238: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

amin’ ny Fanahy rehefa niteny izyhoe: “Tena hitan’ Andriamanitraisika ary miahy antsika Izy. Kanefamatetika amin’ ny alalan’ ny olon-kafa iray no hanomezany antsikaizay ilaintsika. Noho izany dia

zava-dehibe ny fifanompoantsikaeto amin’ ny fanjakana” (Teachingsof Presidents of the Church:Spencer W. Kimball [2006], 82).

F I V O R I A N A A L A H A D Y T O L A K A N D R O

232

Page 239: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Mihazona izany ho MasinaNataon’ ny Loholona Paul B. PieperAo amin’ ny Fitopololahy

Ny zavatra masina dia mitaky fikarakarana bebe kokoa,ilaina omena fanajana lehibe kokoa, ary omem-boninahitra lalina kokoa.

Teo amin’ ny 1.500 taona talohan’ i Kristy teo ho eo, dia nisympiandry ondry iray voasarika hanatona ilay roimemy mirehitr’afo teo amin’ ilay faritra misolampin’ ny TendrombohitraHoreba. Izany fihaonana masina izany no niantombohan’ nyfiovan’ i Mosesy izay mpiandry ondry ho lasa mpaminany aryraha niompy ondry izy dia lasa mpanangona an’ i Isiraely.Telonjato sy arivo taona taty aoriana, dia nisy mpisorona tanorateo amin’ ny tokotanin’ ny mpanjaka tena babo tamin’ nyfijoroana vavolombelon’ ny mpaminany voaheloka iray. Izanyfihaonana izany no niantombohan’ ny fivoaran’ i Almà tamin’ nynaha mpiasam-panjakana azy ho lasa mpanompon’Andriamanitra. 2.000 taona latsaka kely taty aoriana, dia nisyzazalahy kely 14 taona izay niditra tao anaty alakely mba hitadyny valin’ ny fanontaniana nataony tamin-kitsimpo. Ny zavatrahitan’ i Joseph Smith tao amin’ ilay ala kely dia nametraka azyteo amin’ ny lalan’ ny maha-mpaminany azy sy teo amin’ nylalan’ ny famerenana amin’ ny laoniny.

Ny fiainan’ i Mosesy, sy i Almà, ary i Joseph Smith dia samyniova avokoa vokatry ny fihaonana tamin’ Andriamanitra. Ireotraikefa ireo dia nanome hery azy ireo hijanona ho mahatokyhatrany tamin’ ny Tompo sy ny asany nandritra ny fiainan’ izyireo, na dia teo aza ny fanoherana tena henjana sy ireo fitsapanasarotra taorian’ izany.

Ny zavatra iainantsika miaraka amin’ Andriamanitra diamety tsy hivantana be na mampitaintaina toy izany ary mety tsy

P A U L B . P I E P E R

233

Page 240: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

ho lehibe toy izany ireo fanamby atrehantsika. Kanefa tahaka ireompaminany, ny hery entintsika hiaretana amim-pahatokiana diamiankina amin’ ny fahatsapana sy fahatsiarovana ary nyfihazonana ho masina izay zavatra azontsika avy any ambony.

Ankehitriny, ny fahefana, ny fanalahidy, ary ireo ôrdônansydia efa naverina eto an-tany. Misy koa ny soratra masina sy ireovavolombelona manokana. Ireo izay mitady an’ Andriamanitradia afaka mirotsaka amin’ ny batisa ho famelana ny fahotana aryho raisina ho mpikambana “amin’ ny alalan’ ny fametrahan-tanana ho fanaovana ny batisa amin’ ny afo sy ny FanahyMasina” (F&F 20:41). Miaraka amin’ ireo fanomezana sarobidynaverina tamin’ ny laoniny ireo, ny fihaonantsika amin’Andriamanitra dia tena hisy fandraisan’ ilay mpikambanafahatelo anjara tokoa ao amin’ Ny Andriamanitra, dia ny FanahyMasina izany.

“Amin’ ny alalan’ ny feo tony sy malefaka, no hitenenan’ nyFanahy amiko

Hitarika ahy, hanavotra ahy

(“The Still Small Voice,” Children’ s Songbook, 106)

“Que l’ Esprit soit avec nous;Enseignant la verité.Il témoignera du Christ,Nous montrant sa volonté”

(“Que l’ Esprit soit avec nous,” Cantiques, no. 78)

Rehefa mikatsaka valiny amin’ Andriamanitra isika, diamahatsapa ilay feo tony sy malefaka mibitsika ao amin’ nyfanahintsika. Ireo zavatra tsapa—ireo fihetsehampo—dia tenavoajanahary ary misoko mangina ka mety tsy ho hitantsika izanyna ho raisintsika ho toy ny eritreritra sy tombantsaina. Izanyhafatra natao ho an’ ny tena manokana izany dia mijoro hovavolombelona mikasika ny fitiavana manokan’ Andriamanitrasy ny firaharahiany ny zanany tsirairay avy ary ny asananirahana azy ireo manokana ety an-tany. Ny fisaintsainanaisan’ andro sy ny fanoratana ireny fahatsapana ireny izay avyamin’ ny Fanahy dia ampiasaina amin’ ny tanjona roa izay

F I V O R I A N A A L A H A D Y T O L A K A N D R O

234

Page 241: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

manampy antsika (1) hahafantatra ny fihaonantsika manokanaamin’ Andriamanitra sy (2) hitahirizantsika izany ho antsika syho an’ ny taranantsika. Ny firaketana an-tsoratra azy ireny diamari-pamatarana sy fanajana lehibe ny fankasitrahantsika an’Andriamanitra satria, “tsy misy na inona na inona ataon’ nyolona ka manafintohina an’ Andriamanitra na mandrehitra nyfisafoahany afa-tsy ireo izay tsy miaiky ny tànany amin’ ny zava-drehetra” (F&F 59:21).

Raha mikasika ny zavatra azontsika amin’ ny alalan’ nyFanahy, ny Tompo dia nampahatsiahy antsika hoe: “Tadidio faizay avy any ambony dia masina” (F&F 63:64). Ny fanambaranydia mihoatra noho ny fampahatsiahivana fotsiny. Sadyfamaritana izany no fanazavana koa. Ny hazavana sy fahalalanaavy any an-danitra dia masina. Masina izany satria avy any an-danitra no niaviany.

Ny dikan’ ny hoe masina dia mendrika ny omem-boninahitrasy hajaina. Rehefa raisina ho masina ny zavatra iray, diamampahafantatra ny Tompo fa zavatra manana ny lanjanyambony kokoa izany ary laharam-pahamehana eo anatrehan’ nyzavatra hafa. Ny zavatra masina dia mitaky fikarakarana bebekokoa, ilaina omena fanajana lehibe kokoa, ary omem-boninahitra lalina kokoa. Ny zavatra masina dia mipetraka anyamin’ ny toerana ambony ao anatin’ ny lamin’ ny soatoavin’ nylanitra.

Izay masina amin’ Andriamanitra dia tsy ho lasa masinaamintsika raha tsy amin’ ny alalan’ ny fampiasana ny fahafahanamisafidy irery ihany. Ny tsirairay dia tsy maintsy misafidy nyhanaiky sy hihazona ho masina izay nofaritan’ Andriamanitra famasina. Mandefa hazavana sy fahalalana avy any an-danitra Izy.Manasa antsika Izy mba handray sy hihazona izany ho masina.

Kanefa “hisy fifanoherana amin’ ny zavatra rehetra” (2 Nefia2:11). Ny mifanohitra amin’ ny masina dia ny faniratsirana nyfivavahana na ny tsy finoana—ny zavatra ara-nofo sy ny zavatr’izao tontolo izao izany. Ny zavatr’ izao tontolo izao diamifaninana tsy tapaka amin’ ny zavatra masina hanovana nysaintsika sy ny laharam-pahamehantsika. Ny fahalalana nyzavatra tsy misy ifandraisana amin’ ny finoana dia ilaina amin’ny fiainantsika ara-nofo isan’ andro. Ny Tompo dia mampianatra

P A U L B . P I E P E R

235

Page 242: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

antsika hikatsaka fianarana sy fahendrena, handalina sy hianatraamin’ ireo boky tsara indrindra, ary hahafantatra ny fiteny sy nyolona (jereo ny F&F 88:118; 90:15). Noho izany, ilay safidyhametraka ny zavatra masina ambonin’ ny zavatra tsy masina dialaharam-pahamehana miavaka, fa tsy fanavahana. “Tsara nymahay raha henoi[ntsika] ny torohevitr’ Andriamanitra” (2 Nefia9:29; nampiana fanamafisana).

Ny ady mikasika izay tokony ho laharam-pahamehana eoamin’ ny zavatra masina sy ny zavatra tsy masina ao am-pon’ nyolombelona dia azo aseho amin’ ny alalan’ ny zavatra niainan’ iMosesy teo amin’ ny roimemy mirehitr’ afo. Tao i Mosesy nonandray ny antsony masina avy amin’ i Jehovah mba hanafakany zanak’ i Isiraely avy amin’ ny fanandevozana. Na izany aza,ny fahalalany ara-nofo ny herin’ i Egypta sy ny an’ i Farao dianahatonga azy hisalasala. Farany dia nampiasa ny finoany nytenin’ ny Tompo i Mosesy ka nesoriny ilay fahalalany ara-nofodia niantehatra tamin’ ilay masina izy. Izany fahatokiana izanydia nanome hery azy hiatrehana ireo fitsapana ara-nofo aryhitarihana an’ i Isiraely hiala an’ i Egypta.

Taorian’ ny nitsoahan’ izy ireo ny tafik’ i Noa ka nahalavoanytao anatin’ ny fanandevozana teo an-tanan’ i Amiolôna, dia metyho niahiahy mikasika an’ ilay fijoroana ho vavolombelona ara-panahy izay azony fony izy nihaino an’ i Abinadia i Almà.Kanefa natoky ilay masina izy ary nomena hery izy mbahaharetana sy hialana amin’ ireo fitsapana ara-nofo.

I Joseph Smith dia niatrika safidy roa manadala mitovitovytamin’ izany tany am-piandohan’ ny fandikana ny Bokin’ iMôrmôna. Fantany ny fahamasinan’ ilay takelaka sy ny asafandikana. Kanefa noresen’ i Martin Harris lahatra izy mba hanaoho lohalaharana ireo ahiahy ara-nofo mikasika ny finamanana syny lafiny ara-bola izay nifanohitra tamin’ ireo torolalana masina.Vokatr’ izany dia very ilay dikan-teny natao soratanana.Nobedesin’ ny Tompo i Joseph noho ny nanolorany “izaymasina, ho an’ ny faharatsiana” (F&F 10:9) ary tsy nomeny azytao anatin’ ny fotoana fohy ireo takelaka sy ny fanomezam-pahasoavan’ ny fandikana. Rehefa tafaverina tamin’ ny laoninytsara ireo laharam-pahamehan’ i Joseph, dia naverina ireo zavatramasina ary nitohy ny asa.

F I V O R I A N A A L A H A D Y T O L A K A N D R O

236

Page 243: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Ny Bokin’ i Môrmôna dia nanome ohatra hafa momba nyfiadiana mafy mba hanao ho lohalaharana ny zavatra masina.Izany dia miresaka an’ ireo mpino izay notarihin’ ny finoan’ izyireo ho any amin’ ny hazon’ aina mba hihinana ilay voanymasina, dia ny fitiavan’ Andriamanitra izany. Avy eo nyfanesohesoan’ ireo teo amin’ ilay trano lehibe sy makadiry dianahatonga ireo mpino hanodina ny fifantohany amin’ ny zavatramasina ho any amin’ ny tsy masina. (Jereo ny 1 Nefia 8:11, 24–28.)Taty aoriana, dia nisafidy ny avonavona ireo Nefita ary nandà nyfanahin’ ny faminaniana sy ny fanambarana, nanao “nyfanarabiana [ho] masina” (Helamàna 4:12). Na dia ireo sasanynahita maso ireo famantarana sy fahagagana nifandray tamin’ nynahaterahan’ ny Tompo aza dia nisafidy ny handà ireo fisehoanamasina avy any an-danitra ka hanaraka ireo fanazavana tsymasina (jereo ny 3 Nefia 2:1–3).

Ankehitriny dia mitohy ny tolona. Ireo feo tsy masina diamitombo isa ary lasa mafy ny feony sy heriny. Izy ireo dia tsymitsahatra mamporisika ny mpino mba handao ny finoana izayeritreretin’ izao tontolo izao fa tsy ara-drariny sy tsy manan-kery.Satria “isika mizaha ao amin’ ny fitaratra ka tsy mahita marina”(1 Korintiana 13:12 ary “tsy mahafantatra ny hevitry ny zava-drehetra.” (1 Nefia 11:17), dia indraindray mety mahatsapa homalemy isika ary mila fanomezan-toky ara-panahy lehibe kokoa.Ny Tompo dia nilaza tamin’ i Oliver Cowdery hoe:

“Raha maniry vavolombelona fanampiny ianao, dia averenoao an-tsainao ilay alina izay nitalahoanao Tamiko tao am-ponao,mba hahafantaranao ny momba ny fahamarinan’ ireto zavatraireto.

“nilaza fiadanana tamin’ ny sainao va Aho momba izany?Inona no vavolombelona lehibe kokoa mety ho azonao noho izayavy amin’ Andriamanitra?” (F&F 6:22–23).

Ny Tompo dia nampatsiahy antsika sy an’ i Oliver mbahiantehitra amin’ ny fijoroana ho vavolombelona masina an’ nytena manokana izay efa noraisiny rehefa voasedra ny finoantsika.Tahaka ny nahazo an’ i Mosesy, Almà, ary Joseph tany aloha, ireofihaonana masina ireo dia azo ampiasaina ho vatofantsika masinahiaro antsika sy hampijanona antsika amin’ ny lalana tsaramandritra ny fotoan’ ny fitsapana.

P A U L B . P I E P E R

237

Page 244: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Tsy azo lavina amin’ ny alalan’ ny fifantenana ny zavatramasina. Ireo izay misafidy ny hanary na dia iray monja amin’ nyzavatra masina dia ho hamaizinina ny sain’ izy ireo (jereo ny F&F84:54), ary raha tsy mibebaka izy ireo, dia ho esorina amin’ izyireo izay hazavana ananany (jereo ny F&F 1:33). Rehefa tsymiankina amin’ ny masina izy ireo, dia ho hitan’ izy ireo fa hovery ara-pahadiovam-pitondrantena ao anatin’ ny ranomasin’ nyzavatra tsy masina izy ireo. Mifanohitra amin’ izany kosa ny an’ireo izay mihazona zavatra masina izay hahazo fampanantenanahoe: “Izay avy amin’ Andriamanitra dia hazavana; ary izaymandray hazavana sy mitoetra ao amin’ Andriamanitra diahandray hazavana misimisy kokoa; ary izany hazavana izany diamihamamiratra hatrany hatrany mandra-pitataovovonan’ nyandro.” (F&F 50:24).

Ny Tompo anie hitahy antsika mba hahatsapa sy hahatsiaro,ary hihazona ho masina foana ireo zavatra izay azontsika avy anyambony. Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa manao izanyisika, dia hanana hery hiaretana ireo fitsapana ary handresenaireo olana amin’ izao androntsika izao. Amin’ ny anaran’ i JesoaKristy, amena.

F I V O R I A N A A L A H A D Y T O L A K A N D R O

238

Page 245: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Ahoana no hevitr’ i Kristymikasika ahy?Nataon’ ny Loholona Neil L. AndersenAvy ao amin’ ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifolo

Rehefa tia Azy sy matoky Azy ary mino Azy symanaraka Azy ianao dia hahatsapa ny fitiavany sy nyfanekeny.

Nisy mpanao gazety iray avy ao amin’ ny mpamokatragazetiboky Breziliana iray izay nandalina mikasika nyFiangonana rehefa nanomana izany ho matoan-dahatsarotra.1

Nandalina mikasika ny fotopampianarantsika izy ary nitsidikany foibe fiofanan’ ny misiônera sy ny foibe misahana nyfanampiana olona. Niresaka tamin’ ireo naman’ ny Fiangonanaizy ary tamin’ ireo izay tsy tena mankasitraka koa. Nandritra nyresadresaka nifanaovany tamiko dia toa tena sahiran-tsaina tokoailay mpanao gazety rehefa nanontany hoe: “Nahoana ary no tsyraisin’ ny olona ho Kristiana ianareo?” Fantatro fa ny Fiangonanano tiany holazaina, saingy noraisiko ho ahy manokana ilayfanontaniana ary dia nametraka tamin’ ny tenako tamim-pahanginana aho hoe: “Moa ve ny fiainako maneho ny fitiavanany Tompo sy ny fanoloran-tena ho Azy?”

Nanontanian’ i Jesoa ireo Fariseo hoe: “Ahoana no Hevitrareony amin’ i Kristy?”2 Mandritra ilay fanaovana tombantombanafarany dia tsy ny namana na ny fahavalo akory no hitsara antsikamikasika ny nataontsika amin’ ny maha-mpanara-dia manokanaantsika. Fa kosa ho toy ny nolazain’ i Paoly izany: “Fa samyhiseho eo anoloan’ ny fitsaran’ Andriamanitra isika rehetra.”3

Amin’ izay andro izay, ilay fanontaniana manan-danja ho antsikadia hoe: “Ahoana no hevitr’ i Kristy mikasika ahy?”

N E I L L . A N D E R S E N

239

Page 246: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Na dia tia ny olombelona rehetra aza i Jesoa dia nisy sasanytamin’ ireo manodidina azy izay notsikerainy hoe toy nympihatsaravelatsihy,4 adala,5 ary mpanao meloka.6 Ny hafa dianantsoiny tamim-pankasitrahana hoe zanaky ny fanjakana7 aryfahazavan’ izao tontolo izao.8 Ny sasany dia nantsoiny miarakaamin’ ny tsy fankasitrahana hoe manajamba ny masony9 ary tsymamoa.10 Noderainy fa madio am-po11 sy noana ny fahamarinanany hafa.12 Nalahelo izy satria ny sasany dia tsy nino13 ary avyamin’ izao tontolo izao,14 saingy ny hafa kosa dia najainy ho toyny voafidy,15 mpianatra,16 ary namana.17 Noho izany diamanontany tena isika tsirairay avy hoe: “Inona no hevitr’ i Kristymikasika ahy?”

Ny Filoha Thomas S. Monson dia namaritra izao androntsikaizao ho toy ny fanalavirana “ny zavatra ara-panahy . . . [amin’ nyalalan’ ny] rivotry ny fiovana izay [manodidina] antsika sy nyfitsipi-pitondrantena eo amin’ ny fiaraha-monina izay [tsymitsahatra] ny mikorosy fahana eo imasontsika mihitsy.”18 Izaodia fotoana itomboan’ ny tsy firaharahiana sy ny tsy finoana an’ iKristy sy ny fampianarany.

Ao anatin’ izany tontolo mikorontandrotana izany, dia falyisika satria mpianatr’ i Jesoa Kristy. Hitantsika manodidina enyny tanan’ ny Tompo. Efa napetraka tsara eo anoloantsika nytoeran-kalehantsika. “Ary izao no fiainana mandrakizay,” hoy nyvavaka nataon’ i Jesoa, “dia ny mahafantatra Anao, IzayAndriamanitra tokana sady marina, sy Jesoa Kristy, Izay efanirahinao.”19 Ny hoe maha-mpanara-dia ao anatin’ ity lalan-kaleha amin’ izao fotoana izao ity dia ho toy ny mari-panajanamandrakizay any amin’ny mandrakizay.

Ireo hafatra izay henontsika nandritra ity fihaonambe ity diafamantarana avy amin’ ny Tompo mba hitarihana antsikamandritra ny diantsika amin’ ny maha-mpanara-dia antsika.Rehefa nihaino nandritra izay roa andro lasa izay isika, synivavaka mba hahazo fitarihana ary rehefa mandalina ireohafatra ireo sy mivavaka mikasika azy ireo isika any aoriana diahanome antsika fitarihana ho an’ ny tena manokana ny Tompoamin’ ny alalan’ ny fanomezana ny Fanahy Masina. Mampitodikaantsika bebe kokoa any amin’ Andriamanitra ireo fahatsapanaireo ka dia mibebaka sy mankato ary mino sy mahatoky isika.

F I V O R I A N A A L A H A D Y T O L A K A N D R O

240

Page 247: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Mamaly ireo zavatra ataontsika izay maneho finoana nyMpamonjy. “Raha misy [lehilahy na vehivavy] tia ahy, diahitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankaoaminy Izahay ka honina ao aminy.”20

Ilay antson’ i Jesoa hoe “Avia, manaraha ahy”21 dia tsy nataoho an’ ireo izay niomana ny hifaninana ao anatin’ ilayfifaninanana ara-panahy fotsiny ihany. Raha ny marina, dia tsyfifaninanana ny fahatongavana ho mpanara-dia fa fanasana hoan’ ny rehetra. Ilay dia ataontsika amin’ ny maha-mpanara-diaantsika dia tsy hoe fifaninanana hazakazaka fohy ao anatin’ ilaylalana ary tsy azo oharina mihitsy amin’ ny hazakaza-davitraizany. Raha ny marina dia dia maharitra mandritra ny fiainanamankany any amin’ ny tontolo selestialy kokoa izany.

Ny fanasany dia antso mba hanao ezaka isan’ andro. Hoy iJesoa hoe: “Raha tia Ahy ianareo dia hitandrina ny didiko.”22

“Raha misy ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany, diahitondra ny hazo fijaliany isan’ andro ka hanaraka Ahy.”23 Metytsy hahavita hanao izay tsara indrindra avy amintsika isika isan’andro, saingy raha manandrana isika dia feno fankaherezana syfanantenana ilay fanasan’ ny Tompo manao hoe: “Mankanesa atyamiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana,fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.”24

Na aiza na aiza misy anao eo amin’ ilay lalan’ ny maha-mpanara-dia dia eo amin’ ilay lalana marina ianao ary eo amin’ilay lalana mitondra any amin’ ny fiainana mandrakizay. Afakamifampitraka sy mifanome hery ianareo ao anatin’ ireo androlehibe manan-danja ho avy. Na inona na inona olanaatrehantsika, na fahalemena manakantsakana antsika na zavatratsy ho vita manodidina antsika, dia aoka isika hanana finoana an’ilay Zanak’ Andriamanitra izay nanambara hoe: “Ny zavatrarehetra dia hain’ ny mpino.”25

Mamela ahy ianareo hizara ohatra roa mikasika ny fanaovan’ny mpanara-dia asa. Ny voalohany dia avy amin’ ny fiainan’ nyFiloha Thomas S. Monson, izay mampiseho ny herin’ nyhatsaram-panahy tsotra sy ny herin’ ilay fampianaran’ i Jesoahoe: “Fa izay lehibe aminareo no ho mpanompo anareo.”26

20 taona lasa latsaka kely teo izay no niresahan’ ny FilohaMonson nandritra ny fihaonamben’ ny Fiangonana iray mikasika

N E I L L . A N D E R S E N

241

Page 248: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

an’ ilay zatovovavy 12 taona iray izay tratran’ ny homamiadana.Notantarainy ny herimpo nananany sy ny hatsaram-panahin’ireo namany izay nitondra azy teny amin’ ny TendrombohitraTimpanogos tany Utah Afovoany.

Nihaona tamin’ i Jami Palmer Brinton aho taona vitsy lasaizay ary naheno an’ ilay tantara tamin’ ny endriny hafa—ilayendriny izay ahitana ny zavatra nataon’ ny Filoha Monson hoazy.

Nihaona tamin’ ny Filoha Monson i Jami tamin’ ny Martsa1993, iray andro taorian’ ny nilazana fa ilay fivontosana teo amin’ny lohaliny ankavanana dia homamiadan’ ny taolana izay tenamihombo haingana. Niaraka tamin’ ny fanampian’ ny rainy dianomen’ ny Filoha Monson tsodranon’ ny fisoronana izy arynampanantena ny Filoha Monson hoe: “I Jesoa dia ho eoankavananao sy ho eo ankavianao mba hanohana anao.”

“Talohan’ ny nandaozako ny biraony tamin’ izay andro izay,”hoy i Jami, “Dia novahako ny tadin’ ilay baolina fingotra kilalaoizay teo amin’ ny sezako misy kodiarana, dia nomeko azy. Misysoratra mazava be izany hoe ‘ Ianao no tena mahafinaritraindrindra.”

Tsy nanadino azy ny Filoha Monson nandritra ny fitsaboanaazy tamin’ ny alalan’ ny chimiothérapie sy ny fandidiana azymba hamonjena ny tongony. Hoy i Jami hoe: “Ny Filoha Monsondia naneho tamin’ ny alalan’ ny ohatra ny dikan’ izany hoe tenampianatr’ i Kristy izany. Nampitraka ahy tao anatin’ ny alahelo[izy] ka dia nahazo fanantenana lehibe sy maharitra aho.” Telotaona taorian’ ny nihaonan’ izy ireo voalohany dia nipetraka taoamin’ ny biraon’ ny Filoha Monson indray i Jami. Tany amin’ nyfaran’ ilay fihaonana dia nanao zavatra izay tsy ho hadinoin’ iJami velively izy. Zavatra tena ahafantarana ny hatsaram-panahin’ ny Filoha Monson mihitsy no niseho satria navoakanytampoka teo anoloan’ i Jami ilay baolina fingotra kilalao izaynomen’ i Jami azy telo taona lasa talohan’ izany. “Ianao no tenamahafinaritra indrindra!” hoy ny nambaran’ ilay baolina fingotrakilalao. Notehiriziny izany satria fantany fa hiverina ao amin’ nybiraony i Jami rehefa sitrana ilay homamiadany. Efatra ambin’ nyfolo taona taorian’ ny nihaonany tamin’ i Jami dia nanatanteraka

F I V O R I A N A A L A H A D Y T O L A K A N D R O

242

Page 249: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

ny fanambadiany tamin’ i Jason Brinton tao amin’ ny Tempolin’ iSalt Lake ny Filoha Monson.27

Afaka mianatra zavatra betsaka avy amin’ ny maha-mpanara-dia ny Filoha Monson isika. Matetika izy nomampahatsiahy an’ ireo Manampahefana Ambony mbahahatsiaro ity fanontaniana tsotra ity hoe: “Inona no ho ataon’ iJesoa?”

Hoy i Jesoa tamin’ ilay mpanapaky ny synagoga iray hoe:“Aza matahotra, minoa fotsiny ihany.”28 Ny atao hoe mpanara-dia dia mino Azy ao anatin’ ny fotoam-piadanana sy mino Azyao anatin’ ny fotoam-pahasarotana ary rehefa tsy mahitafahatoniana raha tsy avy amin’ ny alalan’ ny finoana fa tia antsikaIzy sy mitazona ny fampanantentany, ny fanaintainantsika sy nytahotsika.

Vao haingana aho no nihaona tamin’ ny fianakaviana irayizay ohatra tena tsara mikasika ny fomba hinoantsika Azy.Notantarain’ i Olgan sy Soline Saintelus avy any Port-au-Prince,Haiti tamiko ny tantaran’ izy ireo.

Tamin’ ny 12 Janoary 2010, dia tany am-piasana i Olgan ary iSoline tany am-piangonana rehefa namely an’ i Haiti ilayhorohorontany nandravarava. Tany an-trano niaraka tamin’ nynamana iray ireo zanany telo—dia i Gancci, dimy taona, i Angie,telo taona, ary i Gansly, herintaona.

Faharavana makadiry no hita teny rehetra teny. Rahatsaroanareo dia an’ arivorivony maro no maty tany Haiti tamin’izany volana Janoary izany. Nihazakazaka faran’ izay vitanynankany amin’ ilay efitrano fonenany i Olgan sy Soline mbahijery ny zanany. Nirodana tanteraka ilay tranobe nisy rihana telonipetrahan’ ny fianakaviana Saintelus.

Tsy nitsoaka ireo ankizy. Tsy nisy asa famonjena natao teoamin’ ilay tranobe izay tena rava tanteraka.

I Olgan sy Soline Saintelus dia samy nitory ny filazantsara taoanatin’ ny fotoana feno ary nivady tany amin’ ny tempoly. Ninony Mpamonjy izy ireo ary ny fampanantenany nataony tamin’izy ireo. Kanefa rotidrotika ny fon’ izy ireo. Nitomany tsy nisyohatr’ izany izy ireo.

Nilaza tamiko i Olgan fa nanomboka nivavaka izy tao anatin’ilay ora maloka indrindra teo amin’ ny fiainany: “Ry Ray any an-

N E I L L . A N D E R S E N

243

Page 250: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

danitra, raha toa ka sitrakao, ka mba misy velona na dia ny irayfotsiny amin’ ireo zanakay aza, dia mba ampio re izahay.”Niverimberina nandehandeha teo amin’ ilay tranobe izy sadynivavaka mba hahazo fanentanam-panahy. Niezaka nankaheryazy ireo mpifanolobodirindrina taminy ary nanampy azyhanaiky ny fahalasan’ ireo zanany. Nanohy nandehandehananodidina an’ ireo korontan-trano rava i Olgan niaraka tamin’ny fanantenana ary nivavaka. Dia nisy zavatra nitranga izay toatoy ny fahagagana ihany. Naheno feon-jazakely nitomany aryzara raha heno i Olgan. Feon’ ny fitomanin’ ilay zanany kelyizany.

Nangady tsy an-kijanona nandritra ny ora maro ny taoambanin’ ireo korontan-trano rava ireo mpifanolobodirindrinaary notandindomin-doza mihitsy aza ny ain’ izy ireo. Tao anatin’ny haizin’ ny alina, dia nahareo feo iray hafa tao anatin’ nyfaneno mafin’ ireo famaky sy fandraby ireo mpamonjy aina.Najanon’ izy ireo ny fivelivelesan-javatra ary nihaino izy ireo. Tsynino ny zavatra henony izy ireo. Feon’ ny ankizy kely irayizany—ary nihira izy. Nilaza i Gancci izay dimy taona tatyaoriana fa ho henon’ ny rainy izy raha mihira. Tao ambanin’ nyvatosokay mavesatra izay nianjerazera ka nahatonga nyfanapahana ny tanany taty aoriana, no nihiran’ i Gancci ny hiratiany indrindra dia ny “Zanaky ny Ray aho.”29

Niaina fahagagana ny fianakaviana Saintelus rehefa nandehany ora maro ary rehefa tao anatin’ ny haizina sy ny fahafatesanasy fahakiviana ireo zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitratao Haiti izay tena maro. Hita ary velona tao ambanin’ ilaytranobe rava i Gancci sy i Angie, ary i Gansly.30

Tsy hoe miseho eo no ho eo foana ny fahagagana.Indraindray isika no mandefa saina lalina hoe nahoana ilayfahagagana izay nangatahantsika mafy tamim-bavaka no tsy mbatonga dia mitranga. Saingy rehefa miantehitra amin’ nyMpamonjy isika dia hiseho ireo fahagagana nampanantenaina.Halamina tsara daholo ny zavatra rehetra na izany mandritra ityfiainana ity na any amin’ ilay ho avy. Ny Mpamonjy diamanambara hoe: “Aza malahelo na matahotra ny fonareo.”31 “Atyamin’ izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia;Izaho efa naharesy izao tontolo izao.”32

F I V O R I A N A A L A H A D Y T O L A K A N D R O

244

Page 251: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

1.

2.

3.4.5.

Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa tia Azy, matoky Azysy mino Azy ary manaraka Azy ianao dia hahatsapa ny fitiavanysy ny fanekeny. Rehefa manontany ianao hoe: “Ahoana no hevitr’i Kristy mikasika ahy?” dia ho fantatrao fa mpianany ianao arynamany ianao. Amin’ ny alalan’ ny fahasoavany dia hanaozavatra ho anao Izy izay tsy ho vitanao ny hanao azy ho an’ nytenanao.

Miandry amim-pientanentanana ny lahateny famarananahozarain’ ny mpaminany malalantsika isika. Ny FilohaThomas S. Monson dia notendrena ho Apôstôlin’ i Jesoa KristyTompo fony aho 12 taona. Nandritra ny 48 taona mahery izay dianomena ilay fitahiana hihaino azy mijoro ho vavolombelonamomba an’ i Jesoa Kristy isika. Mijoro ho vavolombelona aho faizy dia mitana ny toeran’ ny Apôstôly zokiny indrindra eto an-tany.

Amim-pitiavana sy amim-piderana lehibe an’ ireo mpianatr’ iJesoa Kristy maro izay tsy mpikamban’ ity Fiangonana ity nohanambaranay amim-panetren-tena fa nisy anjely niverina tetoan-tany tamin’ izao androntsika izao. Naverina tamin’ ny laoninyilay Fiangonan’ i Jesoa Kristy izay naoriny fahiny miaraka amin’ny hery sy ireo ôrdônansy ary ireo fitahian’ ny lanitra. Ny Bokin’i Môrmôna dia testamenta iray hafa momba an’ i Jesoa Kristy.

Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy no Mpamonjyan’ izao tontolo izao ary nijaly sy maty ho an’ ny fahotantsika Izyary nitsangana tamin’ ny maty tamin’ ny andro fahatelo.Nitsangana tamin’ ny maty Izy. Ho avy ilay andro izayhandohalihan’ ny lohalika rehetra sy hideran’ ny lela rehetra faIzy no Kristy.33 Amin’ izay andro izay dia tsy ilay hoe: “Moa veraisin’ ny olona ho Kristiana aho?” fotsiny no ho ahiahiko. Faamin’ izany fotoana izany dia hifantoka any Aminy nymasontsika ary hibahana ao am-pontsika ilay fanontaniana hoe:“Ahoana no hevitr’ i Kristy mikasika ahy?” Velona Izy. Izany noijoroako ho vavolombelona amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy,amena.

FanamarihanaJereo ny André Petry, “Entre a Fé ea Urna,” Veja, 2 Nôv. 2011, 96.Matio 22:42.

Romana 14:10.Jereo ny Matio 6:2.Jereo ny Matio 23:17.

N E I L L . A N D E R S E N

245

Page 252: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

6.7.8.9.

10.11.12.13.14.15.16.17.18.

19.20.21.22.

23.24.25.26.27.

28.29.

30.

31.32.33.

Jereo ny Matio 7:23.Jereo ny Matio 13:38.Jereo ny Matio 5:14.Jereo ny Matio 15:14.Jereo ny Matio 13:22.Jereo ny Matio 5:8.Jereo ny Matio 5:6.Jereo ny Matio 17:17.Jereo ny Jaona 8:23.Jereo ny Jaona 6:70.Jereo ny Jaona 13:35.Jereo ny Jaona 15:13.Thomas S. Monson, “Stand in HolyPlaces,” Liahona, Nôv. 2011, 83, 86.Jaona 17:3.Jaona 14:23.Lioka 18:22.Jaona 14:15.

Lioka 9:23.Matio 11:28.Marka 9:23.Matio 23:11.Jami Brinton, taratasy ho an’ nympanoratra, 27 Jan. 2012.Marka 5:36.“Zanaky ny Ray aho,” Fihirana syHiran’ ny Ankizy, 112–113.Avy amin’ ny resaka nifanaovanatamin’ i Olgan sy Soline Saintelustamin’ ny 10 Febrory 2012; jereokoa ny Jennifer Samuels, “FamilyReunited in Miami after Trauma inHaiti,” Church News, 30 Jan. 2010, 6.Jaona 14:27.Jaona 16:33.Jereo ny Romana 14:11.

F I V O R I A N A A L A H A D Y T O L A K A N D R O

246

Page 253: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Eto am-pamaranana ItyFihaonambe ItyNataon’ ny Filoha Thomas S. Monson

Enga anie ianareo hisaintsaina ireo fahamarinanarenareo ary hanampy anareo izany fahamarinana izanyho tonga tsaratsara kokoa mihoatra ny nisy anareotalohan’ ny fiantombohan’ ity fihaonambe ity.

Feno ny foko eto am-pamaranana ity fihaonambe manan-daza ity. Nandray fitahiana sesehena tokoa isika teo am-pihainoana ireo torohevitra sy fijoroana ho vavolombelona avyamin’ ireo izay nandaha-teny tamintsika. Ataoko angamba fahiombon-kevitra amiko ianareo fa nahatsapa ny Fanahin’ nyTompo isika satria nampihetsi-po antsika izany ary nitondratanjaka teo amin’ ny fijoroantsika ho vavolombelona.

Mbola nankafy hira mahafinaritra indray isika, izaynampivoatra sy nampihaingo ny fivoriana tsirairay nandritra nyfihaonambe. Maneho fankasitrahana ireo rehetra izay nizara nytalentany tamintsika mahakasika izany aho.

Manolotra ny fisaorana eram-po aho ho an’ ireo tsirairay izaynandaha-teny tamintsika aho ary koa ho an’ ireo izay nanao nyvavaka nandritra ny fivoriana tsirairay.

Tsy hita isa ireo olona izay miasa, na izy ireo tsy hitaampahibemaso na any amin’ ny andraikitra takotakona isaky nyfihaonambe. Tsy ho tanteraka ny fanatontosantsika ireo fivorianarehetra raha tsy teo ny fanampian’ izy ireo. Misaotra azy rehetraireo koa aho.

Fantatro fa miray feo amiko ianareo maneho fankasitrahanaamin-kitsimpo ho an’ ireo rahalahy sy rahavavy izay nisaorana

T H O M A S S . M O N S O N

247

Page 254: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

nandritra ity fihaonambe ity. Hotsaroantsika izy ireo. Ireo anjarabirikiny teto amin’ ny asan’ ny Tompo dia goavana tokoa aryhisy fiantraikany amin’ ireo taranaka maro ho avy.

Nanohana koa isika, tamin’ ny alalan’ ny fanangananatanana, rahalahy sy rahavavy izay nantsoina handray antsovaovao nandritra ity fihaonambe ity. Faly mandray azy ireoizahay ary tianay ho fantany fa miandrandra ny fiaraha-miasaamin’ izy ireo ao anatin’ ity tanjon’ ny Mpampianatra ity izahay.Nantsoina avy tamin’ ny alalan’ ny fitaomam-panahy avy amin’Andriamanitra izy ireo.

Nampita ity fihaonambe ity amin’ ny faritra maro kokoamihoatra noho ny teo aloha isika, mipaka amin’ ireo olona anyankoatry ny kaontinanta sy ranomasimbe na aiza na aiza. Na dialavitra ny ankamaroanareo aza ny vata-tenanay dia tsapanay nyfanahy entinareo sy ny fanoloran-tenanareo, ary mampita nyfitiavanay sy ny fankasitrahanay anareo izahay na aiza na aizamisy anareo.

Fitahiana lehibe ho antsika tokoa, ry rahalahy sy ranabavy nymanana ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy izay naverina tamin’ nylaoniny eo amin’ ny fiainantsika sy ao am-pontsika. Manolotravaliny ho an’ ireo fanontaniana goavan’ ny fiainana izany.Manolotra lalana sy tanjona ary fanantenana eo amin’ nyfiainantsika izany.

Miaina ao anatin’ ny andro mahory isika. Manome tokyanareo aho fa fantatry ny Raintsika any an-danitra tsara ireofanamby atrehintsika. Tia antsika tsirairay Izy ary maniry nyhitahy sy hanampy antsika. Miantsoa Azy amin’ ny vavaka,araka ny fampaherezana nataony tamintsika hoe: “Mivavahamandrakariva, dia haidiko aminao ny Fanahiko, ary ho lehibe nyfitahiana anao—eny, mihoatra noho izay mety ho azonao amin’ny rakitsoan’ ny tany.”1

Ry rahalahy sy ranabaviko malala, ho feno fitiavana syfifanajana ary ny Fanahin’ ny Tompo anie ny tokantranontsika.Tiavo ny fianakavianareo. Raha misy tsy fitovian-kevitra nafifandirana eo anivonareo dia miangavy aho alamino izaoankehitriny izao izany. Hoy ny Tompo hoe:

“Ary tsy hisy fifanjihirana eo anivonareo. . . .

F I V O R I A N A A L A H A D Y T O L A K A N D R O

248

Page 255: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

1. 2.

3.

“Fa lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, izay mananany fanahin’ ny fifandirana dia tsy Ahy fa an’ ny devoly kosa, izayrain’ ny fifandirana, ary mamoky ny fon’ ny olona izy mbahifanditra amim-pahatezerana izy samy izy.

“[Kanefa] Indro, tsy fotopampianarako . . . [izany]; fa izao kosano fotopampianarako dia ny hampitsaharana ny zavatra toyizany.”2

Amin’ ny maha-mpanompo ahy manetry tena etoanoloanareo no hamerenako ny tenin’ ny Mpanjaka Benjaminafony izy niresaka tamin’ ny vahoakany, nanao hoe:

“Izaho dia tsy nandidy anareo . . . mba . . . hiheveranareo fany tenako dia mihoatra noho ny olona mety maty.

“Fa izaho dia tahaka ny tenanareo, andairan’ ny karazanyrehetra amin’ ny rofin’ ny vatana sy ny saina; kanefa dia efanofinidin’ . . . ny tanan’ ny Tompo . . . ary dia efa notehirizina synotsimbinina tamin’ ny heriny tsy manan-tsahala aho mbahanompo anareo amin’ ny hery sy saina ary tanjaka rehetra izayefa nomen’ ny Tompo ahy.”3

Ry rahalahiko sy anabaviko malala, fanirian’ ny fokomanontolo ny hanao ny sitrapon’ Andriamanitra ary hanompoAzy sy hanompo anareo.

Ankehitriny raha handao ity fihaonambe ity isika dia miantsoireo fitahian’ ny lanitra aho mba hirotsaka aminareo tsirairay avy.Enga anie ianareo izay lavitra ny tokantranonareo ho tody soaaman-tsara any. Enga anie ianareo hisaintsaina ireo fahamarinanarenareo ary hanampy anareo izany fahamarinana izany ho tongatsaratsara kokoa mihoatra ny nisy anareo talohan’ nyfiantombohan’ ity fihaonambe ity roa andro lasa izay.

Mandrapihaonantsika indray afaka enim-bolana diamangataka ny fitahian’ ny Tompo aho hirotsaka aminareo ary,hirotsaka amintsika rehetra koa. Izany no ataoko amin’ nyanarany masina—dia i Jesoa Kristy, ilay Tompo sy Mpamonjyantsika—amena.

FanamarihanaFotopampianarana syFanekempihavanana 19:38.

3 Nefia 11:28–30; nampianafanamafisana.Môsià 2:10–11.

T H O M A S S . M O N S O N

249

Page 256: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

F I V O R I A M B E N ’ N Y Z A T O V O VAV Y M A N E R A N - T A N Y | 2 4M a r t s a 2 0 1 2

Mitsangàna aryMamirapirataNataon’i Ann M. DibbMpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy Maneran-tany

Iray amin’ireo fomba tsara indrindra ahafahantsikamitsangana sy mamirapiratra ny mankatò amin-pahatokiana ireo didin’ Andriamanitra.

Voninahitra ho ahy ny miaraka aminareo amin’ity takarivaity. Isaky ny volana Janoary, dia tsy andriko mihitsy ny filazanany teny filamatra amin’ny Fiaraha-mientana Ifampizarana. Naizany aza dia maka fotoana foana aho hanombantombanana rahatoa aho ka nahafehy na tsia ireo lesona niompana tamin’ilay tenyfilamatra tamin’ny taona lasa.

Andeha averintsika jerena ao anatin’ny fotoana fohy ireo tenyfilamatra faramparany: “Aoka handravaka tsy an-kijanona nyeritreritrao ny hatsaram-panahy,”1 “Aoka ianareo hiorina mafy sytsy ho azo hozongozonina, hahefa be mandrakariva amin’ ny asatsara,”2 “Aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino hianao,”3 “Koamahereza sy mahatanjaha,”4 ary ny fanekem-pinoana fahateloambin’ny folo: “Mino isika fa tokony ho marina, ho mahatoky, homadio fitondrantena, ho antra olona, ho mendrika ary hanao soaamin’ ny olon-drehetra.”5

Ny fandalinana sy fifantohana tamin’ireo soratra masina ireonandritra ny taona iray manontolo dia nahatonga azy ireohanana toerana ao am-pontsika sy ao amin’ny fanahintsika ary aoamin’ny fijoroantsika ho vavolombelona. Manantena izahay fahanohy hanaraka ny fitarihana avy amin’izy ireo ianareo rehefa

250

Page 257: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

hampifantoka ny saintsika isika amin’ny teny filamatry nyFiaraha-mientana Ifampizarana ho an’ny taona 2012, izay hita aoamin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.

Manazava ny sasintenin’ny fizarana 115 hoe: taona 1838tamin’izay, ary tao Far West, Missouri no toerana nisehoan’nyzava-nitranga. “Nampahafantatra ny sitrapon’ Andriamanitramomba ny fananganana io toerana io sy ny tranon’ ny Tompo” iJoseph Smith. Nanana fomba fijery tsara sy feno risimpo ilayMpaminany. Ao amin’ny andininy faha-5 izay ahitantsika nyteny filamatra ho an’ity taona ity dia nilaza taminy ny Tompohoe: “Lazaiko marina tokoa aminareo rehetra: Mitsangàna arymamirapirata mba hahatonga ny fahazavanao ho faneva ho an’ireo firenena.”

Inona no zavatra tonga an-tsainareo rehefa mandre ny tenyhoe mitsangàna ianareo? Izaho manokana dia mieritreritraanareo—ry tanora mendri-kajan’ny Fiangonana. Azoko sary an-tsaina ny fitsangananareo amim-pahavitrihana avy eo am-pandrianareo isa-maraina handeha hanao seminera vaomaraimbe. Hitako ianareo mitsangana amim-pahatokiana avy eoam-pandohalihana rehefa nahavita ny vavaka isan’androataonareo. Mieritreritra anareo aho izay mitsangana amin-kerimpo hizara ny fijoroanareo ho vavolombelona sy hiaro nyfitsipika iainanareo. Entanin’ny fanoloran-tenanareo ho an’nyfilazantsara sy ireo ohatra tsara ataonareo ny fanahiko. Maroaminareo no efa nanaiky ity fanasana hitsangana syhamirapiratra ity, ary ny fahazavanareo dia mamporisika ireohafa hanao torak’izany koa.

Ny iray amin’ireo fomba lehibe indrindra ahafahantsikamitsangana sy mamirapiratra dia ny fankatoavana amim-pahatokiana ny didin’Andriamanitra. Isika dia mianatra mombaireo didy ireo ao amin’ny soratra masina sy avy amin’ireompaminaniny maoderina ary ao amin’ireo pejin’ny bokikely RyTanora, Mahereza. Tokony hanana ny tahadikan’izany ianareotsirairay avy. Ao amin’ny ahy manokana izay amin’ny tenyAnglisy, hoe For the Strength of Youth, dia nataoko anatyfaribolana ireo teny hoe for izay midika hoe ho sy ny hoe You,izay midika hoe anao, araky ny nampianaran’ny namako irayahy izay hajaiko fatratra. Izany fomba tsotra izany dia

A N N M . D I B B

251

Page 258: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

mampahatsiahy ahy fa tsy taridalana amin’ny ankapobenyfotsiny ireo fitsipika ireo—fa natao ho ahy manokana. Manantenaaho fa haka fotoana ianareo hanasiana faribolana nybokikelinareo, ka hamaky izany hatramin’ny voalohany kahatramin’ny farany, ary hahatsapa ny Fanahy hijoro hovavolombelona fa natao ho anao koa ireo fitsipika ireo.

Mety misy aminareo ireo alaim-panahy tsy hiraharaha nahandà ireo fitsipika ao amin’ny Ry Tanora, Mahereza. Mety hijeryilay bokikely izy ireo ary hiteny hoe: “Jeren’i Neny fa tsymiresaka mikasika ny [atao eto ilay fitsipika resahana] ity bokikelyity.” Na mety hanamarin-tena izy ireo hoe: “Tsy dia maninonaanie ny ataoko e! Izaho dia mino fa tsy dia ratsy toetra loatranoho i [ampidiro eto ny anaran’ny namana na olom-pantatra iray].”

Nampianatra ny Filoha Harold B. Lee hoe: “Ny manan-danjaindrindra amin’ireo didin’Andriamanitra rehetra dia ilay irayizay tena sarotra ho anao ankehitriny ny mitandrina azy.”6

Nanazava ny Mpanjaka Benjamina hoe: “Izaho dia tsy afakamilaza aminareo ny zavatra rehetra izay mety hanotanareo; famisy lalana sy fomba samihafa, be loatra aza ka tsy hitako hisainaizy ireny.”7 Raha manana olana amin’ny fitandremana ireofitsipika sy didy ireo ianareo dia mamporisika anareo aho hitadyfanampiana avy ao amin’ny filazantsara. Vakio ny soratramasinareo. Manokana fotoana hitsidihana ny tranonkalaôfisialin’ny Fiangonana, ny LDS.org, mba hahitana ireo valin’nyfanontaniana anananareo. Miresaha amin’ny ray aman-dreninareo, ny mpitarika anareo ao am-piangonana ary amin’ireoizay maneho ohatra tsara eo amin’ny fiainan’izy ireo nyfilazantsara. Mivavaha. Aboray amin’ny Rainareo any an-danitraizay tia anareo ny ao am-ponareo. Ampiasao isan’andro nyfanomezan’ny fibebahana. Manompoa ny hafa. Ary ny tena zava-dehibe dia henoy sy ankatoavy ny bitsiky ny Fanahy Masina.

Ny Filoha Thomas S. Monson dia mankahery antsika rehetraamin’ny alalan’ireto teny ireto: “Ry tanora namako, aoka ianareohatanjaka. . . . Fantatrareo izay tsara sy izay ratsy, ary tsy misyfanaingoana afaka hanova izany na dia manintona tahaka nyinona aza. . . . Raha toa ka mamporisika anao hanao zavatra izayfantatrao fa ratsy ireo izay milaza ho namanao, dia ianao no

F I V O R I A M B E N ’ N Y Z A T O V O VA V Y M A N E R A N - T A N Y

252

Page 259: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

tokony ho ilay iray izay mijoro hanohana ny marina, na dia tsymaintsy ianao irery aza no hanao izany.”8

Tsy tian’ny Ray any an-danitra isika hitodika any amin’izaotontolo izao ary hanaraka ny fomba fisainany izay tsy mitsaha-miova. Tiany isika hitodika any Aminy ary hanaraka nyfitarihany izay tsy miova. Tiany hiaina ny filazantsara isika aryhitarika ny hafa any amin’izany amin’ny alalan’ny fanarahanafitsipika ambony.

Manome ohatra tsara maro entina hanehoana izany hevitraizany ny soratra masina. Ao amin’ny bokin’ny Mpitsara aoamin’ny Testamenta Taloha dia mianatra momba an’i Samsonaisika. Teraka niaraka tamin’ny fananana hery anaty lehibe iSamsona. Nampanantenaina ny reniny fa “izy no hanombokahamonjy ny Isiraely amin’ny tànan’ny Filistina.”9 Kanefa rehefanihalehibe i Samsona dia nanaraka kokoa ny fakam-panahin’izaotontolo izao fa tsy ny fitarihan’Andriamanitra. Naneho safidy izynoho ny hoe “izy [ireny] ihany no mahafinaritra [azy]”10 fa tsynoho ny hoe safidy tsara ireny safidy ireny. Nampiasain’nysoratra masina matetika ny teny hoe “dia nidina izy”11 rehefanilaza mikasika ny fiainan’i Samsona sy ny zavatra nataony aryny safidy nataony. Raha tokony hitsangana sy hamirapiratra iSamsona mba hampiasa ilay hery anaty lehibe nananany diaresin’ny fisarihan’izao tontolo izao izy, ka very ny herynomen’Andriamanitra azy ary maty tao anatin’ny fahatanoranytamin’ny fomba mampalahelo izy.

Etsy ankilany ny soratra masina dia manome ny ohatranataon’i Daniela. Teraka niaraka tamin’ny fananana hery anatylehibe koa i Daniela. Ao amin’ny bokin’i Daniela, toko faha-6, diahitantsika ny hoe: “Izany Daniela izany dia nihoatra noho nykomandy lehibe sy ny solo-mpanjaka namany, fa nanam-panahyhendry izy.”12 Rehefa niatrika ireo fanambin’ny fiainan’izaotontolo izao i Daniela dia tsy niondrika nijery ny fitsipi-piainan’izao tontolo izao izy—fa nitsangana ary niandrandratany amin’ny lanitra. Raha tokony hanaraka ny didy mifototraamin’ny an’izao tontolo izao izay nomen’ny mpanjaka i Daniela,dia ny hoe mba tsy hivavaka na amin’iza na amin’iza fa amin’nympanjaka ihany mandritra ny 30 andro dia “nankao an-tranony [iDaniela]; ary ny varavarankelin’ny tranony ambony nanandrify

A N N M . D I B B

253

Page 260: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

an’i Jerosalema dia nivoha. Koa intelo isan’andro no nandohalikaka nivavaka sy nisaotra teo anatrehan’Andriamaniny izy, satriafanaony hatramin’ny taloha izany.”13

Tsy natahotra ny hitsangana sy hamirapiratra tamin’nyfanarahana ny didin’Andriamanitra i Daniela. Na dia nandiaalina iray tsy nampahazo aina tao an-davaky ny liona aza izynoho ny fijoroany tamin’ny fahamarinana, dia voaro sy voatahyizy noho ny fankatoavany. Rehefa navoakan’ny MpanjakaDariosy tao an-davaky ny liona i Daniela ny ampitso maraina dianamoaka didy izy fa tokony hatahotra ny Andriamanitr’i Danieladaholo ny rehetra ary hanaraka ny ohatry ny fahatokiany. Tenanampiseho tamintsika ny dikan’ny hoe faneva ho an’ny firenena iDaniela ary ny tsy fampandeferana ny fitsipika iainantsikamanoloana an’ireo fakam-panahin’izao tontolo izao.

Nanana fahafahana aho nandre ohatra maro nasehon’nytanora amin’izao andro maoderina izao, izay toa anareo mihitsy,izay tsy matahotra ny hitsangana sy hamirapiratra ary hamela nyhazavany ho faneva hita maso eo anivon’ireo tanora mitovyaminy. I Joanna no iray amin’ireo telo hany mba mpikamban’nyFiangonana tao amin’ny sekoly ambaratonga faharoa nisy azyary hany mba zatovovavy tao amin’ny paroasiny. Nampanantenatamin’ny tenany izy sy tamin’ny Tompo fa tsy hampiasa tenyratsy na oviana na oviana. Rehefa nampiarahana tamin’nyzatovolahy iray izy mba hiaraka hanao tetik’asa iray, zatovolahyizay tsy nanao fanoloran-tena nitovy tamin’ny azy, dia tsynampandefitra ny fitsipika iainany izy. Nangatahiny ilayzatovolahy mba hanaja ny fitsipika iainany. Rehefa nandeha nyfotoana dia lasa nanana fahazarana vaovao sy nampiasa fitenymadio kokoa ilay namany tamin’ny alalan’ny fanaovanyfampahatsiahivana feno hatsaram-panahy ary indraindraytamin’ny fomba somary henjankenjana. Maro ireo olonanahatsikaritra ny fiovana, ka tao anatin’izany ny rain’ity tovolahyity izay nisaotra an’i Joanna noho ny ohatra tsara nataony teoamin’ny fiainan’ny zanany lahy.14

Nandritra ny fanatanterahana iraka tany Philippines dianihaona tamin’i Karen aho izay nizara ny zavatra iray niainanyfony izy Ravintsara ary tao anatin’ny fianarana mba hahazoanamari-pahaizana Licence mikasika ny fitantanana trano

F I V O R I A M B E N ’ N Y Z A T O V O VA V Y M A N E R A N - T A N Y

254

Page 261: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

fandraisam-bahiny sy fikarakarana sakafo. Nitaky tamin’nympianatra tsirairay mba hianatra hanao sy hanandrana ireokarazan-java-pisotro izay ho aroso ao amin’ny tranofisakafoanan’izy ireo ny mpampianatra iray. Nisy alikaola nysasantsasany tamin’ireo zava-pisotro ireo ary fantatr’i Karen tsarafa mifanohitra amin’ny didin’Andriamanitra ny fanandramanyazy ireo. Teo anatrehan’ny mety ho voka-dratsy hiseho diananangona ny risimpony i Karen ahafahany hitsangana syhamirapiratra, ary dia tsy nanandrana ireo zava-pisotro ireo izy.

Nanazava i Karen hoe: “Nanatona ahy ny mpampianatro arynanontany ahy ny antony tsy nisotroako. Hoy izy hoe:‘Ramatoakely Karen, ahoana no hahalalanao an’ilay tsiro aryhahazoanao naoty tsara amin’ity taranja manan-danja ity raha tsyfarafaharatsiny ianao manandrana ireo zava-pisotro ireo?’Nolazaiko azy fa mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy hoan’ny Olomasin’ny Andro Farany aho ary amin’ny maha-mpikambana ahy dia tsy misotro zava-pisotro izay manimba nytenantsika aho. Na inona na inona nandrasany tamiko, na dianidika koa aza izany hoe hahazo naoty ambany aho, dia ho azokotsara izany, saingy tsy handefitra amin’ny fanarahako ny fitsipikaiainako manokana aho.”

Nandeha ny herinandro maromaro ary tsy nisy zavatrafanampiny nolazaina mikasika an’izany andro izany. Tanyamin’ny faran’ny tapa-taona dia noeritreretin’i Karen fa ho hitaany amin’ny naotiny farany ny vokatr’ilay fandavany nyhanandrana ireo zava-pisotro. Nisalasala izy hijery ny naotinykanefa rehefa nojereny izany dia hitany fa nahazo ny naotyfaran’izay ambony indrindra tao an-dakilasiny izy.

Hoy izy hoe: “Nianatra avy tamin’izany zava-nitranga izanyaho fa Andriamanitra . . . dia tena hitahy antsika rehefa manarakaAzy isika. Fantatro koa fa na dia ho nahazo naoty ratsy aza ahodia tsy ho nanenenako ny zavatra nataoko. Fantatro fa hahombyfoana aho eo imason’ny Tompo rehefa misafidy ny hanao nyzavatra fantatro fa tsara tokony ho atao.”15

Ry zatovovavy malala, samy teraka tao anatin’ny fanananahery anaty lehibe ianareo tsirairay avy. Zanakavavy tian’ny Rayany an-danitra ianareo. Fantany sy tiany ianareo. Manasa anareoizy mba “hitsangana sy hamirapiratra,” ary mampanantena Izy fa

A N N M . D I B B

255

Page 262: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

1.

2.3.4.5.6.

7.8.

9.

10.11.12.13.14.

15.

raha manao izany ianareo dia hanohana anareo sy hitahy anareoIzy. Mivavaka aho mba hahitanareo tsirairay avy ny herimpohanekena izany fanasana izany ary handraisana ireofampanantenany, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

FanamarihanaFotopampianarana syFanekempihavanana 121:45.Môsià 5:15.1 Timoty 4:12.Josoa 1:9.Fanekem-pinoana 1:13.Teachings of Presidents of the Church:Harold B. Lee (2000), 30.Môsià 4:29.Thomas S. Monson, “Examples ofRighteousness,” Liahona, Mey 2008,65.Mpitsara 13:5.

Mpitsara 14:3.Mpitsara 14:7.Daniela 6:3.Daniela 6:10.Jereo ny Joanna Ehrisman, “TheThing about Being Mormon,” mbahahitana ny ampahan’ity tantaraity ao amin’ny edisiôna nataon’iKatilin Medlin sy ireo hafa, Goingon 15: Memoirs of Freshmen (2010),93–96.Taratasy manokana ho an’i Ann M.Dibb, 2012.

F I V O R I A M B E N ’ N Y Z A T O V O VA V Y M A N E R A N - T A N Y

256

Page 263: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Katsahonareo nyFianarana: Manana AsaTokony Hatao IanareoNataon’ i Mary N. CookMpanolotsaina Voalohany ao amin’ ny Fiadidian’ ny ZatovovavyManeran-tany

Omeo fitahiana ireo izay ho zanakao sy nytokantranonao ho avy amin’ ny alalan’ ny fanovozanafianarana betsaka araka izay tratra amin’ izao fotoanaizao.

Ry zatovovavy malalako, tena tianay ianareo tsirairay avy.Hitanay ianareo fa mitsangana amin-kerimpo sy mamirapiratraamin’ ny hazavana ao anatin’ ity izao tontolo izao ity izay ahitanafanamby lehibe maro miaraka amin’ ny fahafahana manao zava-tsoa lehibe maro. Mety mahatonga anao hanontany tena izanyhoe hanao ahoana ny hoaviko? Manome toky anareo aho fa amin’ny maha-zanakavavin’ Andriamanitra tsara toetra anareo diamamirapiratra ny hoavinareo! Ianareo dia miaina ao anatin’ nyvanim-potoana izay namerenana tamin’ ny laoniny ireofahamarinan’ ny filazantsara ary ireo fahamarinana ireo dia hitaao amin’ ny soratra masinareo. Nandray ny fanomezana nyFanahy Masina ianareo tamin’ ny fotoana nanaovana batisaanareo ary ny Fanahy Masina dia hampianatra anareo nyfahamarinana ary hanomana anareo ho amin’ ireo fanambin’ nyfiainana.

Nomen’ Andriamanitra fahafahana misafidy eo amin’ nylafiny ara-pitondrantena ianareo ary nomeny fahafahana hianatraety an-tany ary manana asa ampanaovina anareo Izy. Mbahanatanterahana izany asa izany dia manana andraikitra

M A R Y N . C O O K

257

Page 264: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

manokana ianareo tsirairay ny hikatsaka fianarana. Nyfanalahidin’ ny hoavinareo, ilay “fanantenanareomamirapiratra,”1 dia hita ao anatin’ ilay bokikely vaovao JeunesSoyez Forts (Ry Tanora Mahereza) eo ambanin’ ilay fitsipika hoeny fianarana sy ao anatin’ ny hasin’ ny fahalalana ho an’ nyZatovovavy.

“Ny fianarana . . . dia hanokatra ireo varavaran’ ny fahazoanatombontsoa.”2 Raha toa ianareo ka manaraka ilay fanentanananataon’ ny Tompo hoe: “Katsahonareo ny fianarana amin’ nyalalan’ ny fandinihana ary koa amin’ ny alalan’ ny finoana,”3 diatsy hoe hahazo fahalalana fotsiny ianareo avy amin’ nyfandalinana ataonareo fa hahazo fahalalana fanampiny koarehefa mianatra amin’ ny alalan’ ny finoana.

Katsaho ny fianarana amin’ ny alalan’ ny fandalinana amim-pahavitrihana. Tsy hanana fahafahana firy ianareo hanokananafotoana betsaka hianarana toy ny amin’ izao fotoana izao. Nanorohevitra tamim-pahendrena an’ ireo zatovon’ ny Fiangonana nyFiloha Gordon B. Hinckley hoe: “Ny lamin’ ny fandalinana izayapetrakareo mandritra ny fotoana ianaranareo any an-tsekoly diahisy fiantraikany lehibe eo amin’ ny fanirianareo tsy tapakamandritra ny androm-piainana hanovo fahalalana.”4 “Tokonyhanovo fianarana betsaka araka izay tratranareo ianareo. . . .Afoizo izay zavatra tokony hafoy mba hanananareo fahafahanahanao ny asan’ [ity] izao tontolo izao [ity]. . . . Hofano ny sainareosy ny tananareo mba ho lasa fitaovana hanaovana ny tsara rehefamiatrika ny fiainana ianareo.”5

Raha niresaka manokana tamin’ ireo zatovovavy ny FilohaThomas S. Monson dia nilaza izy hoe: “Matetika dia tsy fantatrany hoavy. Noho izany dia ilaina ny fiomanantsika amin’ ny toe-javatra tsy ampoizina. . . . Mamporisika anareo aho mba handiafianarana ary hianatra fahaiza-manao tena ilaina, ka rahamitranga ny toe-javatra tahaka izany dia efa vonona ianareoamin’ ny angady sy ny harona.”6

Ry zatovovavy, araho ny torohevitr’ ireo mpaminany hendrysy entanin’ ny fanahy ireo. Aoka ianareo mba ho mpianatra tsara.Mitsangàna ary mamirapirata any amin’ ny sekolinareo aoanatin’ ny filofosana mafy sy ny fahitsim-po aman-tsaina ary nyfahamarinana. Raha toa ianareo ka sahirana na kivy mikasika ny

F I V O R I A M B E N ’ N Y Z A T O V O VA V Y M A N E R A N - T A N Y

258

Page 265: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

zava-bitanareo any an-tsekoly dia mitadiava fanampiana anyamin’ ny ray aman-dreninareo sy ny mpampianatra anareo aryireo mpikamban’ ny Fiangonana tia manampy. Aza milavo lefonavelively!

Ataovy lisitra ireo zavatra tianareo hianarana avy eo dia“zarao amin’ ny fianakavianareo sy ny namanareo ary nympitarika anareo ireo tanjonareo eo amin’ ny lafin’ ny fianaranamba hahafahan’ izy ireo manohana sy mamporisika anareo.”7

Izany no lamin’ ny Fivoaran’ ny Tena Manokana.Mahita ny fitomboana izaitsizy eo amin’ ny fahalalana

zavatra ianareo amin’ ny alalan’ ny teknôlôjia. Tototry ny feo syny horonan-tsary sy ny fitaovam-pifandraisana tsy tapakaianareo. Aoka ianareo mba hahay hifantina ary aza avelahandrebireby anareo na hampiadana ny fandrosoanareo nyfitomboan’ izany fampahalalana izany. Mitsangàna ryzatovovavy! Ianareo no mametraka ny tanjonareo. Ianareo nomanapa-kevitra hoe inona no tokony hampidirina ao am-ponareosy ao an-tsainareo.

Ny sasany amin’ ireo fianarana zava-manan-danja indrindraho ataonareo dia ho any ivelan’ ny efitrano fianarana. Fenoyvehivavy tsara alain-tahaka ny manodidina anareo, izayvehivavy afaka mampianatra anareo fahaiza-manao mikasika nyfikarakarana tokantrano, na ny zava-kanto, na ny mozika, na nytantaram-pianakaviana na ny fanatanjahan-tena na ny haisoratrana ny haiteny. Fantaro izy ireo ary angataho mba hampianatraanareo. Rehefa nianatra zavatra vaovao ianareo dia ampianaromandritra ny Atrik’ asa Ifampizarana izany na aoka ianareo mbaho lasa mpampianatra an’ ireo zatovovavy hafa izay anisan’ nytafiditra ao anatin’ ny zavatra takiana mba hahazoana ilaymedaly ho an’ ny zatovovavy izay nampianatra ny hafa.

Ankoatra ilay reniko tena mahafinaritra dia nananampampianatra maro aho teo amin’ ny fiainako. Ny fotoanavoalohany nahafantarako mikasika ny dingana arahina mombany fampianarana ny hafa dia fony aho sivy taona monja. Nympampianatra ahy tao amin’ ny Kilonga dia nampianatra ahynanao peta-kofehy point de croix ny soratra hoe: “Hitondra nyHazavan’ ny Filazantsara ao An-tokantranoko Aho.” Nihantonatao amin’ ny efitranoko izany sary izany nandritra ireo taona

M A R Y N . C O O K

259

Page 266: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

naha-zatovo ahy. Notarihan’ io mpampianatro io aho arynahitsiny sy namporisihany foana rehefa nandeha teny. Nisympampianatra maro hafa koa taorian’ izany. Nisy mpanjaitratena mahay anankiroa nampianatra ahy nanjaitra. Noho nyfitarihan’ izy ireo sy ny faharetan’ izy ireo ary ny famporisihan’izy ireo dia nampidiriko ho isan’ ny isafidianana tao anatin’ nyfifaninanana zaitra ny akanjolava iray izay nozairiko tamin’ izaho14 taona ary dia nahazo loka! Izany dingana izany dianampitombo ny hetahetako hanovo fahalalana sy ho mpianatramendrika indrindra tao anatin’ ny sehatra hafa koa.

Ny fanovozana fahalalana amin’ izao fotoana izao dia tenasarobidy rehefa lasa reny ianao. “Ny fari-pahaizan’ ny reny iraydia misy fiantraikany lalina eo amin’ ny safidy ho ataon’ ny[zanany].”8 Ny fahaizan’ ny reny iray dia afaka ho tonga“fanalahidy hampitsaharana [ny] fahantrana.”9 Ny vehivavynandia fianarana dia “lasa: Miteraka zaza salama kokoa, manan-janaka salama kokoa, manana fahatokian-tena bebe kokoa,mahay mitraka ary manana fomba fisainana sy mahaymandanjalanja tsara kokoa.”10

Hianarantsika ao amin’ ny “Ny Fianakaviana: Fanambaranaho an’ Izao Tontolo Izao” fa “ny reny no tompon’ andraikitravoalohany amin’ ny fikarakarana ny zanany.”11 Ny fampianaranany zanakao dia anisan’ ny tafiditra ao anatin’ izany fikarakaranasy andraikitrao masina izany. Toy ireo zatovo miaramila izay “efanampianarin’ ny reniny,”12 ianao no ho mpampianatra tenamanan-danja indrindra amin’ ireo mpampianatra ny zanakaohatramin’ izay, noho izany dia fidio tsara izay tianao hianarana.Omeo fitahiana ny zanakao sy ny tokantranonao ho avy amin’ nyalalan’ ny fanovozanao fahalalana betsaka indrindra araka izayvitanao amin’ izao fotoana izao.

Katsahonareo ny fianarana amin’ ny alalan’ ny finoana.Mianatra amin’ ny alalan’ ny finoana isika rehefa manovo amim-pahavitrihana fahalalana ara-panahy amin’ ny alalan’ ny vavaka,ny fandalinana ny soratra masina sy ny fankatoavana ary rehefamikatsaka ny fitarihan’ ny Fanahy Masina izay mijoro hovavolombelona momba ny fahamarinana rehetra. Raha manao nyanjaranareo eo amin’ ny fanovozana fahalalana ianareo dia afakamanazava ny sainareo ny Fanahy Masina. Rehefa miezaka ny

F I V O R I A M B E N ’ N Y Z A T O V O VA V Y M A N E R A N - T A N Y

260

Page 267: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

manao izay hahamendrika ny tenanareo ianareo dia hanometorolalana anareo ny Fanahy Masina ary hampitombo nyfahalalanareo.

Fony aho zatovovavy dia nindrana tehina fisosana amin’ nyranomandry aho, izay tena lava be tamiko sy kiraro fisosanaamin’ ny ranomandry izay lehibe loatra tamiko, ary namako irayizay no nampianatra ahy hisosa tamin’ ny ranomandry! Nyandro nandehananay dia andro lohataona iray izay tena tsara,nisy masoandro mibaliaka, ranomandry antonony tsara arylanitra misy rahona sy mangamanga. Niova ho fifaliana ilaytebiteby naterak’ ireo solampy miaka-drantsana rehefa nihanahayaho. Ary na dia nianjera imbetsaka ihany aza aho niaraka tamin’ireo tehina fisosana amin’ ny ranomandry ireo dia niarina aho arynanohy nanandrana hatrany. Lasa tiako io fanatanjahan-tena io!

Tsy ela akory anefa aho dia nahita fa tsy voatery ho tsaratahaka izany foana ny andro hisosana amin’ ny ranomandry syny toetr’ andro. Tao anatin’ ireo andro maloka nisosana an-dranomandry dia nisosa an-dranomandry tao anatin’ ny toe-javatra antsoina hoe “hazavana manjavozavo” izahay. Miseho nyhazavana manjavozavo rehefa aparitaky ny rahona ny hazavanaavy amin’ ny masoandro. Ka rehefa mijery ny ranomandry eoalohanao ianao dia hitanao fa tsy manana intsony ny fahatsapanany halalin’ ny toerana ianao, ary sarotra ny mamantatra hoehatraiza ny halalin’ ilay solampy miaka-drantsana na ny mahitaireo dongodongona eo amin’ ilay havoana.

Ry zatovovavy mety mijery ny hoavinareo toy ny nijereko an’ity solampy miaka-drantsana hanaovana fisosana amin’ nyranomandry ity ianareo. Mety mahatsapa ianareo indraindray famiaina ao anatin’ ny hazavana manjavozavo ka tsy afaka mahitaizay hiseho eo anoloanareo. Ny fianarana amin’ ny alalan’ nyfinoana dia hanome fahatokian-tena anareo ary hanampy anareohahita ny lalanareo ao anatin’ ny fotoan’ ny fisalasalana.

Ao amin’ ny toko faha-25 ao amin’ ny Matio, ny fanoharanamikasika ny virijiny folo dia mampianatra antsika fa iankinan’ nyaina ny fiomanana ara-panahy ary tsy maintsy tanterahin’ nytena manokana. Ho tsaroanareo fa nasaina daholo ireo virijinyfolo mba hitsena ny mpampakatra mandritra ny fampakaram-

M A R Y N . C O O K

261

Page 268: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

bady, saingy ireo virijiny hendry dimy ihany no niomana kananana solika tao anatin’ ny fanalany.

“Dia hoy ny adala tamin’ ny hendry: Mba omeo kely amin’ny solikareo izahay; fa efa ho faty ny fanalanay.

“Fa ny hendry namaly ka nanao hoe: Sao tsy ampy ho anaysy ho anareo, fa mandehana mankany amin’ ny mpivarotrahianareo ka mividiana ho anareo.

“Fa raha mbola lasa nividy izy, dia tonga ny mpampakatra,ary izay efa niomana dia niara-niditra taminy tao amin’ nyfampakaram-bady, ary dia narindrina ny varavarana.”13

Mety hieritreritra ianareo fa fitiavan-tena no nasehon’ ireovirijiny izay tsy nizara ny solika nananany, nefa tsy azo nataomihitsy izany. Ny fiomanana ara-panahy dia tsy maintsy ataon’ny tena manokana tsikelikely ary tsy mety zaraina.

Izao no fotoana hanatanterahanareo amim-pahavitrihana nyfampitomboana—tsikelikely—ny fahalalanareo ara-panahy,amin’ ny alalan’ ny vavaka, sy ny fandalinana ny soratra masinaary ny fankatoavana. Izao no fotoana handratoanafianarana—tsikelikely. Ny eritreritra sy ny zavatra atao tsirairayizay tsara dia hanampy ny solika ao amin’ ny fanalanareo aryhahamendrika anareo hahazo ny fitarihan’ ny Fanahy Masina,ilay mpampianatra antsika avy any an-danitra.

Ny Fanahy Masina dia hitarika anareo mandritra ny dianareoety an-tany, na dia rehefa mahatsapa ho ao anatin’ ny hazavanamanjavozavo aza ianareo, ka tsy mahafantatra izay metyhitranga. Tsy mila matahotra ianareo. Rehefa mitoetra eo amin’ilay lalana izay mitondra any amin’ ny fiainana mandrakizayianareo dia hitarika anareo eo amin’ ny fanapahan-kevitraraisinareo sy eo amin’ ny fianarana ataonareo ny Fanahy Masina.

Mijoro ho vavolombelona aho avy amin’ ny zavatra niainakomanokana, fa raha mikatsaka fianarana ianareo, tsy hoe amin’ nyalalan’ ny fandinihana fotsiny fa amin’ ny alalan’ ny finoana koa,dia ho tarihan’ ny “Tompo any amin’ izay tokony hataonareo sytokony ho fantatrareo ianareo.”14

Nahazo ny tsodranon’ ny patriarika aho fony aho tovovavyary notoroina hevitra mba hanomana ny tenako amin’ ny alalan’ny fianarana tsara ary hianatra mialoha eo amin’ ny fiainanamikasika ireo zavatra tsara mifandray amin’ ny fikarakarana

F I V O R I A M B E N ’ N Y Z A T O V O VA V Y M A N E R A N - T A N Y

262

Page 269: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

tokantrano sy ny fikolokoloana fianakaviana. Tena naniry mafyny hanana fianakaviana aho, kanefa tsy tanteraka izany raha tsytamin’ ny faha-37 taonako, raha nanambady ihany aho. Lehilahyefa maty vady ny vadiko ary tamin’ ny andro namehezana anaytany amin’ ny tempoly dia nahazo tampoka teo tsy hoe vadyfotsiny ihany aho fa fianakaviana iray ahitana zanaka efatra.

Fotoana ela talohan’ izany dia maro ireo andro izaynahatsapako ho toy ny hoe misosa amin’ ny ranomandry aoanatin’ ny hazavana manjavozavo izany aho, sady nanontanytena hoe: “Hanao ahoana ny hoaviko?” Niezaka aho nanaraka nytorolalana tao amin’ ny tsodranon’ ny patriarika nomena ahy.Nianatra tamim-pahavitrihana aho mba ho tonga mpampianatraany an-tsekoly ary nanohy ny fianarako aho ka lasa talen’ nysekoly fanabeazana fototra. Nivavaka tamin’ ny Ray any an-danitra aho ary nikatsaka ny fitarihan’ ny Fanahy Masina. Ninotamim-kafanam-po an’ ilay fampanantenan’ ireo mpaminany ahoizay nanome toky ahy fa raha toa aho ka “mitoetra ho marina symahatoky, mitandrina ny fanekempihavana [nataoko], manompoan’ Andriamanitra, ary tia ny Rai[ko] any an-danitra sy an’ i JesoaKristy Tompo dia tsy maintsy hahazo ireo fitahiana mandrakizayizay omen’ ny Raintsika any an-danitra ho an’ ireo zananymahatoky.”15

Fantatro fa ny fianarako koa dia nanomana ahy ho amin’ nyfiainana iray izay tsy nisy nitovizana tamin’ izay noeritreretikofony aho zatovovavy. Izaho dia nihevitra fa nianatra mikasika nyfampianarana aho mba hampianatra any an-tsekoly syhampianatra ireo zanako any aoriana, saingy tsy nahalala aho fany Tompo koa dia nanomana ahy hampianatra teny Anglisy tanyMongolie rehefa nanao asa fitoriana tany aho niaraka tamin’ nyvadiko, ary nanomana ahy hampianatra ireo zatovovavin’ nyFiangonana manerana an’ izao tontolo izao, ary nanomana ahyhampianatra ny hasarobidin’ ny fananana fahalalana amin’ ireozafikeliko—fitahiana tena lehibe izay tsy noeritreretin’ ny saikovelively ireo rehetra ireo.

Mijoro ho vavolombelona aho fa tena mahafantatra anareo sytia anareo ny Ray any an-danitra. Nametraka fahatokiana lehibeaminareo Izy ary manana asa izay ianareo ihany no afaka manaoazy. Te-hanome antoka anareo aho fa ho vonona amin’ izany asa

M A R Y N . C O O K

263

Page 270: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

1.

2.

3.

4.

5.

6.

7.8.

9.

10.

11.

12.13.14.

15.

lehibe izany ianareo raha toa ka mikatsaka fianarana amin’ nyalalan’ ny fandinihana sy amin’ ny alalan’ ny finoana koa. Izanyno ijoroako ho vavolombelona amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy,amena.

FanamarihanaGordon B. Hinckley, “ReachingDown to Lift Another,” Liahona,Jan. 2002, 67.For the Strength of Youth (booklet,2011), 9.Fotopampianarana syFanekempihavanana 88:118.Gordon B. Hinckley, Way to Be!Nine Ways to Be Happy and MakeSomething of Your Life (2002), 28.Gordon B. Hinckley, “SeekLearning,” New Era, Sept. 2007, 2, 4.Thomas S. Monson, “If Ye ArePrepared Ye Shall Not Fear,”Liahona, Nôv. 2004, 116.For the Strength of Youth, 9.Cheryl Hanewicz sy Susan R.Madsen, “The Influence of aMother on a Daughter’ s CollegeDecision,” Vehivavy sy Tetik’ asamikasika ny Fampianarana ao Utah,

Sarin’ ny Fikarohana, faha-3, (Jan.2011): 1.Marjorie Cortez, “Mom’ sEducation Key to Halt PovertyCycle,” Deseret News, Sept. 23, 2011,A1.Olene Walker, “More Utah WomenNeed to Finish College,” Salt LakeTribune, 30 Ôkt. 2011, O4.“Ny Fianakaviana: Fanambara hoan’ Izao Tontolo Izao,” Liahona,Nôv. 2010, 129.Almà 56:47.Matio 25:8–10.Henry B. Eyring, “Education forReal Life,” Ensign, Ôkt. 2002, 18.M. Russell Ballard, “Preparing forthe Future,” Ensign, Sept. 2011, 27.

F I V O R I A M B E N ’ N Y Z A T O V O VA V Y M A N E R A N - T A N Y

264

Page 271: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Izao no Fotoana TokonyHitsanganana syHamirapiratana!Nataon’ i Elaine S. DaltonFilohan’ ny Zatovovavy Maneran-tany

Amin’ ny maha-zanakavavin’ Andriamanitra anareo,dia nateraka mba hitarika ianareo.

Izaho dia mahatazana tsara dia tsara ny Tempolin’ i Salt Lakeavy eo amin’ ny varavarankelin’ ny birao misy ahy ao amin’ nyZatovovavy. Isan’ andro aho dia mahita ny anjely Môrônia mijoroery amin’ ny tendron’ ny tempoly ery izay toy ny mari-pamantarana mamirapiratra maneho tsy ny finoany fotsiny ihanyfa ny antsika ihany koa. Tiako i Môrônia satria nitoetra ho madiosy marina izy tao anatin’ ny fiaraha-monina iray tena fenofaharatsiana. Izy no maherifoko. Nijoro irery izy. Toy ny tsapakoizany hoe mitsangana eny amin’ ny tampon’ ny tempoly eny izyankehitriny mba hamporisika antsika hanana herimpo hahatsiarohoe iza moa isika ary mba ho mendrika ny hiditra ny tempolymasina—“hitsangana sy hamirapiratra,”1 hijoro ho eo ambonin’ny antsoantson’ izao tontolo izao, ary araka ny naminanian’ iIsaia dia mba, “Hiakatra. . . any an-tendrombohitr’ iJehovah”2—dia ny tempoly masina izany.

Tafavory eto androany ireo zanakavavin’ ny Tompo izayvoafidy manokana. Tsy misy vondrona hafa izay mijoro amin’ nyfahamarinana ka manana hery mitaona hanao ny tsara bebekokoa eto amin’ izao tontolo izao noho ireo zatovovavy syvehivavin’ ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ nyAndro Farany. Hitako ny fahamendrehanareo ary fantatro nytoetra sy ny hoavinareo avy amin’ Andriamanitra. Efa niavaka

E L A I N E S . D A L T O N

265

Page 272: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

ianareo tany amin’ ny fiainana talohan’ ny nahaterahana. Nyrazambenareo dia nitondra niaraka taminy fanekempihavananasy fampanantenana maro. Ianareo dia nandova ireo toetra masinanananan’ i Abrahama, sy Isaka ary Jakoba izay patriarikamahatoky. Nisy mpaminanin’ Andriamanitra anankiray indraymandeha izay niantso anareo tsirairay tafavory eto androanyalina hoe: “ilay fanantenana iray mamirapiratra”3 ho an’ nyhoavy. Ary manaiky izany aho! Mamirapiratra be tokoa nyhazavanareo ao anatin’ ity izao tontolo izao feno fanamby ity.Tena “andro tsy ho hadinoina na oviana na oviana”4 izao androizao. Andronareo izao ary izao no fotoana natokana ho an’ nyzatovovavy rehetra na aiza na aiza mba “hitsangana syhamirapiratra mba hahatonga ny fahazavanao ho faneva ho an’ireo firenena.”5

“Ny faneva dia fitsipi-pandrefesana iray izay hamaritan’ nyolona iray ny fanarahana ny fahamarinana na nyfahalavorariana.”6 Isika dia tokony ho fanevan’ ny fahamasinanaizay natao mba ho hitan’ izao tontolo izao! Ilay bokikely JeunesSoyez Forts (Ry Tanora Mahereza) izay nohavaozina dia tsy hoeahitana fitsipika tokony hiainana amim-pahamarinana fotsiny famisy ireo fitahiana nampanantenaina raha toa ianareo kamanaraka izany. Ireo teny hita ao anatin’ io bokikely io diafitsipika ho an’ izao tontolo izao ary ny fiainana ireo fitsipika ireodia hanome fahafahana anareo hahafantatra izay tokony hataomba hitovizana bebe kokoa amin’ ny Mpamonjy ary mbahahazoana fifaliana ao anatin’ ity izao tontolo izao izay tsymitsahatra miharatsy ity. Ny fiainana ireo fitsipika ao anatin’ iobokikely io dia hanampy anareo ho mendrika ny hanana nyFanahy Masina ho namana. Ary eto amin’ ity izao tontolo izaoizay iainantsika ity dia ho ilainareo ny fananana izany namanaizany mba handraisana fanapahan-kevitra lehibe izay hamaritrany ankamaroan’ ny fahombiazanareo sy ny fifalianareo amin’ nyhoavy. Ny fiainana ireo fitsipika ireo dia hanampy anareotsirairay avy ho mendrika ny hiditra ao amin’ ny tempoly masin’ny Tompo ary rehefa ao dia handray ireo fitahiana sy hery izaymiandry anareo ianareo rehefa manao sy mitandrina ireofanekempihavanana masina.7

F I V O R I A M B E N ’ N Y Z A T O V O VA V Y M A N E R A N - T A N Y

266

Page 273: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Fony mbola ankizivavy kely i Emi zanakay vavy, dia tiany nymijery ny zavatra rehetra ataoko rehefa miomana ny handehahiangona aho. Rehefa avy mijery ny zavatra fanaoko mahazatraizy dia mibango ny volony ary mampiditra ny akanjolavany, diaangatahany foana aho mba hanisy an’ ilay antsoiny hoe “zavatramamirapiratra,” eo amin’ ny tarehiny. Ilay hoe “zavatramamirapiratra” dia nentiny nilazana menaka malefadefakafanosotra izay hisorohana ny kentrona. Saingy araka nyfangatahana dia eo amin’ ny takolaka sy ny molotr’ i Emi noanosorako azy, dia mitsiky izy avy eo ary milaza hoe: “Vonona nyhandeha amin’ izay aho!” Ny zavatra tsy fantatr’ i Emi dia efanisy “zavatra mamirapiratra” teny aminy. Namirapiratra nyendriny satria tena madio sy tsy manan-tsiny izy ary tsara toetra.Nanana ny Fanahy niaraka taminy izy ary hita izany.

Iriako ireo zatovovavy rehetra tafavory eto androany alinamba hahafantatra sy hahatakatra fa ny hatsaranareo—ny“famirapiratanareo”—dia tsy miankina amin’ ny fanaingoana nytarehy, na ny menaka malefadefaka fanosotra na ny lamaodynivoaka farany eo amin’ ny fitafy sy ny endriky ny volo. Mitoetraao anatin’ ny fahadiovanareo manokana izany. Rehefa miainaireo fitsipika ianareo sy mendrika ny hanana ny Fanahy Masinaho namana, dia afaka mitondra fiantraikany mahery vaika eoamin’ izao tontolo izao. Ny ohatra asehonareo, na ny hazavana eoamin’ ny masonareo aza dia hisy fiantraikany amin’ ny hafa izaymahita ny “famirapiratanareo,” ary haniry ny ho toa anareo izyireo. Aiza no ahazoanareo izany hazavana izany? Ny Tompo nofahazavana, “ary ny Fanahy dia manazava ny olona rehetra eoamin’ izao tontolo izao, izay mihaino ny feon’ ny Fanahy.”8 Misyhazavana tonga eo amin’ ny masonareo sy ny endrikareo rehefamanakaiky ny Ray any an-danitra sy an’ i Jesoa KristyZanakalahiny ianareo. Izay no ahazoantsika an’ ilay “zavatramamirapiratra!” Ary ankoatr’ izany dia afaka mahita ianareo fatsy dia nahomby tamin’ ny kentrona teo amiko akory ilay“menaka mamirapiratra!”

Ilay antso hoe “mitsangàna ary mamirapirata” dia antso irayho anareo tsirairay avy mba hitarika an’ izao tontolo izaohanatanteraka tanjona lehibe—hanangana ilay faneva—aryhitarika an’ ity taranaka ity hanana hatsaran-toetra sy

E L A I N E S . D A L T O N

267

Page 274: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

fahadiovana ary fahamendrehana hiditra ny tempoly. Rahamaniry ny hanova an’ izao tontolo izao ianareo dia tsy maintsymiavaka eo anatrehan’ izao tontolo izao. Averiko ireo tenin’ ny FilohaJoseph F. Smith, izay nilaza tamin’ ireo vehivavy tamin’ nyandrony hoe: “Tsy ianareo mihitsy no tokony ho tarihin’ ireo[zatovo]vavin’ izao tontolo izao, fa ianareo no tokony hitarika . . .an’ ireo [zatovo]vavin’ izao tontolo izao any amin’ ny zava-drehetra izay . . . manadio ny zanak’ olombelona.”9 Mbolamitoetra ho marina ireo teny ireo ankehitriny. Amin’ ny maha-zanakavavin’ Andriamanitra anareo dia nateraka mba hitarikaianareo.

Ao anatin’ ity izao tontolo izao izay iainantsika ity, ilayfahafahanareo mitarika dia hitaky ny fitarihana sy nyfanananareo ny Fanahy Masina ho namana lalandava, izay hilazaaminareo “ny zavatra rehetra izay tokony hataonareo”10 rehefamiantehitra amin’ ny fitarihany sy ireo bitsika avy Aminyianareo. Ary satria tsy mitoetra ao amin’ ny tempoly izay tsymasina ny Fanahy Masina dia ho ilaintsika tsirairay avy nyfandinihana ny fahazarantsika sy ny ao am-pontsika. Milamanova zavatra daholo isika rehetra—mila mibebaka izany. Hoyny Mpanjaka Lamônia ao amin’ ny Bokin’ i Môrmôna hoe:“Hafoiko ny fahotako rehetra hahafantarako Anao.”11 Moa ve,izaho sy ianao, vonona ny hanao izany?

Nisy andian-jatovo iray tany Queen Creek, Arizona, izaytapa-kevitra ny “hitsangana sy hamirapiratra” ary hitarika nyzatovo eo amin’ ny tanànan’ izy ireo araka ny fitsipika napetrakaao amin’ ny Jeunes Soyez Forts (Ry Tanora Mahereza). Izy tsirairayireo dia samy nanoratra zavatra izay tsapany fa manakana azyireo tsy handroso, na zavatra izay tiany hovaina eo amin’ nyfiainany izay hita ao anatin’ ny diariny. Dia tena nangady lavakaara-bakiteny izy ireo. Niara-nandeha izy ireo ka nandrovitra ilaytakelaka tao anatin’ ilay diary, ary nanipy izany tao anatin’ ilaylavaka tao anaty tany toy ny nataon’ ireo vahoakan’ i Amôna taoamin’ ny Bokin’ i Môrmôna tamin’ ireo fitaovam-piadiany.12 Dianaleviny ireo pejy ireo, ary tamin’ izay andro izay dia nanaofanoloran-tena ny hiova izy ireo. Nibebaka izy ireo. Tapa-kevitrany hitsangana izy ireo!

F I V O R I A M B E N ’ N Y Z A T O V O VA V Y M A N E R A N - T A N Y

268

Page 275: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Moa ve misy zavatra eo amin’ ny fiainanao izay tokonyhovainao? Afaka manao izany ianao. Afaka mibebaka ianao nohoilay Sorompanavotan’ ny Mpamonjy izay tsy manam-petra.Nanao izay ahafahanao sy ahafahako miova sy ho lasa madioindray Izy ary ho lasa mitovy Aminy. Ary nampanantena Izy farehefa manao izany isika dia tsy hahatsiaro ny fahotantsikaintsony Izy.13

Indraindray dia toa tena tsy vita mihitsy ny hoe mitoetra homamirapiratra. Ianareo dia miatrika olana maro izay metyhanakona ilay loharanon’ ny hazavana rehetra, dia ny Mpamonjy.Sarotra indraindray ny lalana ary misy fotoana toa misy zavonamatevina manarona ilay hazavana. Izany no toe-javatra nisehotamin’ ny zatovovavy iray nantsoina hoe Florence Chadwick.Tamin’ ny faha-10 taonany no nahitan’ i Florence fa mananatalenta eo amin’ ny filomanosana izy. Nilomano niampita nyranon’ i La Manche izy tao anatin’ ny adiny 13 sy 20 minitra. Tiafanamby i Florence, ary taty aoriana izy dia nanandrananilomano niala teo amin’ ny morontsirak’ i Californie hatranyamin’ ny Nosy Catalina—izay teo amin’ ny 34 km teo. Tao anatin’izany dia nihareraka izy rehefa nilomano teo amin’ ny 15 ora teo.Nisy zavona nirotsaka izay nanakona ny fahitana nymorontsiraka. Nandeha sambo nanaraka azy teo akaikiny teo nyreniny ary nilaza tamin-dreniny i Florence fa tsy ho vitany ilayizy raha ny eritreriny. Namporisika azy mba hanohy ny reniny syilay mpanazatra azy, saingy ny hany hitany dia ilay zavona.Natsahany ny filomanosana ary raha vao tafiditra tao anatysambo izy dia hitany fa hay nijanona teo amin’ ny 1,6 km sisa tsyhahatongavana teo amin’ ny morondranomasina izy. Tatyaoriana rehefa nalain’ ny mpanao gazety am-bavany izy arynanontaniana mikasika ny antony nijanonany tsy nilomano, dianibaboka izy fa tsy hoe noho ilay rano mangatsiaka akory nanoho ny halavirana izany. Hoy izy hoe: “Resin’ ilay zavonaaho.”14

Nanandrana nilomano tamin’ izany indray izy taty aorianaary dia nirotsaka indray ilay zavona matevina. Saingy tamin’ ityindray mitoraka ity dia nandeha foana izy ary tonga tamim-pahombiazana teo amin’ ilay morontsiraka. Tamin’ izay fotoanaizay rehefa nanontaniana izy hoe inona no naha-samy hafa an’ ity

E L A I N E S . D A L T O N

269

Page 276: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

tamin’ ilay teo aloha dia nilaza izy fa notazoniny tao an-tsaina nysarin’ ilay morondranomasina tao anatin’ ilay zavona matevinaary nandritra ny faharetan’ ny filomanosany manontolo.15

Ho an’ i Florence Chadwick, dia ilay morontsiraka notanjony. Ho antsika tsirairay avy dia ny tempoly no tanjontsika.Ry zatovovavy aoka ianareo hifantoka foana. Banjino foana nytanjonareo. Ilay zavona matevin’ ny fahalotoana ara-pitondrantena sy ireo feo manakivy avy amin’ izao tontolo izaodia aza avela hanakana anareo tsy hanatratra ny tanjonareo, sytsy hiaina ireo fitsipika ary tsy hanana ny Fanahy Masina honamana ary tsy ho mendrika ny hiditra ny tempoly masina.Tazony foana ao an-tsainareo sy ao am-ponareo ny sarin’ nytempoly sy ilay trano masin’ ny Mpamonjy.

Herinandro maro lasa izay dia nijoro tao amin’ ny efitranoselestialin’ ny Tempolin’ i Reno Nevada aho. Namirapiratra ilayhazavana niditra tao anatin’ izany efitrano izany ary mbolanamirapiratra kokoa aza tamin’ ny alalan’ ilay fitoeran-jirokiristaly, izay nandefa ny taratr’ ilay hazavana teo amin’ ireolafiny madinika maro teo aminy izay vita sokitra ka nanomehazavana miendrika havana teny rehetra teny. Nientanentana nyfoko rehefa nahatsapa aho fa ny Mpamonjy no “fahazavana syfiainan’ izao tontolo izao,”16 ka ilay hazavany no tokonyhatsangantsika ambony sy ho hita taratra eny amintsika. Isika diaireo kiristaly kely izay mandefa ny taratr’ ilay hazavany ary mbahahafahantsika manao izany dia tsy maintsy madio sy afakaamin’ ny vovok’ izao tontolo izao isika. Rehefa nijoro tao amin’ny Tempoly aho io andro io dia naheno indray tao an-tsaiko ilayantson’ i Môrônia ho antsika—zanakavavin’ i Ziona manao hoe:“Mifohaza dia mitsangana avy eo amin’ ny vovoka.”17 “Ary [azamikasika] ny fanomezana ratsy na ny zavatra tsy madio.”18 “Arymifohaza dia mitsangana ary anaovy ny fitafianao tsara tarehy,Ry zanakavavin’ i Ziona . . . , mba hahazoana manatanteraka nyfanekempihavanan’ ny Ray Mandrakizay izay efa nataonytaminao, Ry mpianakavin’ i Isiraely.”19

Ireo fitahiana nampanantenaina dia tsy natao ho anareofotsiny fa ho an’ ny taranaka rehetra. Rehefa manao ny tempolyho tanjonareo ianareo, dia tsy ho voasakan’ ny fotoana sy nyhalavirana ny fitaomanareo ho amin’ ny tsara, ary ilay asa

F I V O R I A M B E N ’ N Y Z A T O V O VA V Y M A N E R A N - T A N Y

270

Page 277: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

ataonareo ho an’ ireo izay nialoha lalana anareo dia ho lasafahatanterahan’ ilay faminaniana!

Nandritra ny fihaonambe farany teo dia nientanentana nyfoko rehefa naheno ny Loholona David A. Bednar aho nanasaanareo tsirairay mba hazoto hirotsaka hanao ny tantaram-pianakavianareo manokana sy ny asa atao any amin’ ny tempolyho an’ ireo izay efa nodimandry ka tsy nahazo ireo fitahian’ nyfilazantsaran’ i Jesoa Kristy izay naverina tamin’ ny laoniny.20

Rehefa nanao izany fanasana izany izy dia nidobodoboka be nyfoko. Hitantsika ao amin’ ny Fotopampianarana syFanekempihavanana “ireo fanahy nofinidy hafa izay notanana hofiandry mba hivoaka amin’ ny fotoam-pahafenoana handrayanjara amin’ ny fandatsahana ny fototry ny asa lehiben’ ny androfarany, ka ao anatin’ izany ny fanorenana tempoly sy nyfanatontosana ôrdônansy ao amin’ izy ireo ho fanavotana nymaty.”21 Andronareo izao, ary efa nanomboka ny asa! Izao nofotoana tokony hahamendrika sy hahazoana fahazoan-dalanahidirana ny tempoly. Rehefa manao ity asa ity ianareo dia ho lasampamonjy eo amin’ ny Tendrombohitr’ i Ziona.22

Raha niresaka momba anareo ny Loholona Russell M. Nelsondia nanambara izy hoe: “Ilay hery mitaona ananan’ ireozatovovavin’ ny Fiangonana, izay toy ny olona goavam-be iraymatory, dia hifoha sy hitsangana ary hanentana ny fanahin’ ireomponin’ ny tany toy ny hery lehiben’ ny fahamarinana.”23 Ryzatovovavy, mitsangàna ary raiso ny toeranareo eo anivon’ ireozava-miseho tena lehibe izay hamolavola ny hoavinareo sy nyhoavin’ izao tontolo izao. Izao no fotoana!

“An-tendrombohitra dia misy saina iray. Jereo miofaofa eran-tany indray”!24 Ry zatovovavy! Ianareo ilay faneva! Aoka ianareohadio, katsaho ny hanana ny Fanahy Masina ho namana, alevenony fahotanareo sy ny fandikan-dalànareo, afantohy amin’ izaytokony hifantohana ny saina ary aza avela hanakona nytanjonareo ny fahalotoana ara-pitondrantena. Aoka ianareo homendrika ny hiditra ny tempoly izao ankehitriny izao. Apetahoilay “zavatrareo mamirapiratra!” Mijoro ho vavolombelona amin’ny foko manontolo aho fa velona Andriamanitra ary Izy diahanazava ny fiainantsika rehefa manakaiky an’ ilay ZanakaMalalany isika. Ary mivavaka aho mba ho toa an’ i Môrônia isika

E L A I N E S . D A L T O N

271

Page 278: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

1.

2.3.

4.

5.

6.

7.

8.

9.

10.11.

12.13.

14.

15.

16.17.18.19.20.

21.

22.

23.

24.

25.

ka “[hitsangana] sy [hamirapiratra] mba hahatonga nyfahazavan[tsika] ho faneva ho an’ ireo firenena!”25 Amin’ nyanarana masin’ i Jesoa Kristy, amena.

FanamarihanaFotopampianarana syFanekempihavanana 115:5.Isaia 2:3; 2 Nefia 12:3.Gordon B. Hinckley, “StandingStrong and Immovable,” WorldwideLeadership Training Meeting, Jan. 10,2004, 20.Oliver Cowdery, ao amin’ nyJoseph Smith—Tantara 1:71,fanamarihana.Fotopampianarana syFanekempihavanana 115:5.Ezra Taft Benson, “Strengthen ThyStakes,” Tambuli, Aog. 1991, 4.Jereo ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 109:22.Fotopampianarana syFanekempihavanana 84:46.Teachings of Presidents of the Church:Joseph F. Smith (1998), 184.2 Nefia 32:5.Almà 22:18; nampianafanamafisana.Jereo ny Almà 24:17.Jereo ny Fotopampianarana syFanekempihavanana 58:42.Jereo Sterling W. Sill, ao amin’ nyConference Report, Apr. 1955, 117.Jereo Randy Alcom, “FlorenceChadwick and the Fog,” epm.org/resources/2010/Jan/21/florence-chadwick-and-fog. Jereo koa ny

“Florence Chadwick,” ao amin’ nyEncyclopedia of World Biography,boky faha-19 (2004): 64–66;“Navigation Information” sy ny“Swim Successes,” CatalinaChannel Swimming Federation,swimcatalina.com, azo nidiranatamin’ ny 27 Mar. 2012. Misy ireotantara isan-karazany fanampinymikasika an’ i Florence Chadwick.3 Nefia 9:18.Môrônia 10:31.Môrônia 10:30.Môrônia 10:31.Jereo David A. Bednar, “The Heartsof the Children Shall Turn,”Liahona, Nôv. 2011, 24–27.Fotopampianarana syFanekempihavanana 138:53–54.Jereo ny Obadia 1:21;Fotopampianarana syFanekempihavanana 103:9; ary nyTeachings of Presidents of the Church:Joseph Smith (2007), 472–73.Russell M. Nelson, “Daughters ofZion,” New Era Young WomenSpecial Issue, YW Nôv. 1985, 9.“High on the Mountain Top,”Fihirana sy Hiran’ ny Ankizy,faha 59.Fotopampianarana syFanekempihavanana 115:5.

F I V O R I A M B E N ’ N Y Z A T O V O VA V Y M A N E R A N - T A N Y

272

Page 279: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Minoa, Mankatoava, aryMaharetaNataon’ny Filoha Thomas S. Monson

Minoa fa ny fijanonana ho mafy orina sy mahatokyamin’ireo fahamarinan’ny filazantsara dia tena zava-dehibe indrindra. Mijoro ho vavolombelona aho famarina izany!

Ry anabavikeliko malala isany, mampanetry tena ahy tokoany andraikitra hitafa aminareo. Mivavaka aho mba hahazofanampiana avy amin’Andriamanitra mba ho mendrika izanytombontsoa izany.

Raha tamin’ny 20 taona lasa fotsiny dia mbola tsynanomboka namakivaky ny dianareo teto amin’ny fiainana an-tany akory ianareo. Mbola tany amin’ny fonenanareo tany an-danitra ianareo. Tany ianareo dia teo anivon’ireo izay tia anareosy nieritreritra an’izay zava-mahasoa anareo mandrakizay. Tatyaoriana dia tonga ho nanan-danja teo amin’ny fivoaranareo ihanyanefa ny fiainana an-tany. Tsy azo isalasalana fa nisy nyfifanaovam-beloma ary nisy ny fifanomezam-pitokisana. Nahazovatana ianareo ary lasa olona mety maty, niala tsy ho eoanatrehan’ny Rainareo any an-danitra.

Nisy fandraisana makotrokotroka anefa niandry anareo tetyan-tany. Sarobidy sy niavaka tokoa ireo taona vitsivitsyvoalohany ireo. Tsy nanana hery haka fanahy anareo i Satana,satria mbola tsy tompon’andraikitra ianareo tamin’izany. Tsynanan-tsiny teo anatrehan’Andriamanitra.

Vetivety ianareo dia niditra tao anatin’ilay fotoana antsoin’nysasany hoe: “fialana sakana manahirana”. Tiako ny miantso izany

T H O M A S S . M O N S O N

273

Page 280: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

fotoana izany hoe: “fialana sakana mahatalanjona.” Tena fotoanaahafahana manao zavatra mahasoa izany, fotoana hitomboana,fotoana hivoarana—izay ahitana miavaka tsara ny fahazoanafahalalana ary koa ny fikarohana ny fahamarinana.

Tsy nisy nilaza mihitsy fa mora ny taonan’ny fahatanorana.Taonan’ny tsy fahampian’ny fahatokian-tena izany matetika,taonan’ny fahatsapana ho toy ny tsy mahavita zavatra tsara,taonan’ny fiezahana hitady ny toeranareo eo anivon’ireonamanareo, taonan’ny fiezahana hahay hifandray amin’izy ireo.Izany dia fotoana ahitana fa lasa mahaleo tena kokoaianareo—ary mety maniry hahazo fahafahana bebe kokoamihoatra noho izay tian’ny ray aman-dreninareo omena anareoizao aza. Izany koa dia fotoana tena lehibe izay hakan’i Satanafanahy anareo ary hanaovany izay rehetra vitany mbahandrebirebena anareo hiala amin’ilay lalana izay hitondraanareo hiverina any amin’ilay trano fonenana any an-danitra izayniavianareo ary hitondra anareo hiverina eo anatrehan’ireo olon-tianareo any sy eo anatrehan’ny Rainareo any an-danitra.

Ny tontolo manodidina anareo dia tsy ahitana ireo fitaovanaahafahana manome ilay fanampiana ilainareo hamitana an’ity diaizay matetika feno fandripandrika ity. Maro ireo olona amin’izaovanim-potoana iainantsika ankehitriny izao no mamotsotra nytadim-piarovana ary manalavitra ilay seranan’ny fiadanana.

Ny fileferana amin’ny ratsy, ny tsy fahadiovana ara-pitondrantena, ny pôrnôgrafia, ny zava-mahadomelina, nyherin’ny faneren’ireo tanora mitovy amin’ny tena—ireo rehetraireo sy ny hafa koa—dia mahatonga ny maro ho atopatopan’nyonjan’ny fahotana ary hidona amin’ireo harambato maranitry nytsy fananana fahafahana hanao zavatra mahasoa, sy tsyfahazoana fitahiana ary ny faharavan’ny nofinofy.

Moa ve misy fomba hahazoana fiarovana? Moa ve misyfomba ialana amin’ny fandravana izay manambana? Ny valinydia eny manakoako tokoa! Manoro hevitra anareo aho hitodikaany amin’ny fanilon’ny Tompo. Efa nolazaiko izany teo aloha arymbola averiko lazaina ihany: tsy misy zavona matevina loatra, naalina maizi-kitroka loatra, na rivotra mahery loatra, na tantsamboizay very an-dranomasina lavitra loatra ka tsy ho avotry nyfanilon’ny Tompo. Miantsoantso ao anatin’ny oram-baratry ny

F I V O R I A M B E N ’ N Y Z A T O V O VA V Y M A N E R A N - T A N Y

274

Page 281: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

fiainana izany, manao hoe: “Aty no lalana hitondra fiarovana. Aty nolalana mody any an-trano.” Mandefa hazavana famantarana izaymora hita izany ary tsy ho takona na oviana na oviana. Rahaarahina ireo famantarana ireo dia hitarika anareo hiverina anyamin’ny fonenanareo any an-danitra.

Te-hiresaka aminareo mikasika ireo fanairana telo lehibe avyamin’ny fanilon’ny Tompo aho anio hariva izay hanampy anareohiverina any amin’ilay Ray izay miandry mafy ny fiverenanareoamim-boninahitra any an-tranony. Ireo fanairana telo ireo dia hoeminoa, mankatoava, ary mahareta.

Voalohany, hilaza fanairana fototra sy manan-danja iray aho,dia ny hoe: minoa. Minoa fa zanakavavin’ny Ray any an-danitraianareo ary tia anareo Izy. Tonga eto noho ny tanjona iray lehibeianareo—dia ny hahazo ilay famonjena anareo mandrakizay.Minoa fa ny fijanonana ho mafy orina sy mahatoky amin’ireofahamarinan’ny filazantsara dia tena zava-dehibe indrindra.Mijoro ho vavolombelona aho fa marina izany!

Ry tanora namako, minoa an’ireo teny lazainareo isan-kerinandro rehefa mitanisa ny tarigetran’ny Zatovovavy ianareo.Eritrereto ny dikan’ireo teny ireo. Misy fahamarinana aoanatin’izany. Miezaha hatrany hiaina ireo hasina voalaza aoamin’izany tarigetra izany. Minoa, araky ny voalaza ao anatin’nytarigetranareo, fa raha manaiky sy manao zavatra mifanarakaamin’ireo hasina voatanisa ireo ianareo dia ho vonona hanamafyorina ny tokantranonareo sy ny fianakavianareo, hanao syhitandrina ireo fanekempihavanana masina, handray ireoôrdônansin’ny tempoly ary farany hahazo ireo fitahian’nyfisandratana. Fahamarinana tena tsara ao anatin’ny filazantsaraireo ary raha manaraka azy ireo ianareo dia hahita fifaliana bebekokoa mandritra ny fiainanareo ety sy any amin’ny fiainanahoavy izay mihoatra noho izay ho tsapanareo raha toa ka manaotsinontsinona izany ianareo.

Ny ankamaroanareo dia nampianarina ireo fahamarinan’nyfilazantsara nanomboka hatrany amin’ny fahazazanareo.Nampianarin’ny ray aman-dreny be fitiavana sy nympampianatra be fiahiana ianareo. Ireo fahamarinana izaynozarainy taminareo dia nanampy anareo hahazo fijoroana hovavolombelona. Nino izay nampianarina anareo ianareo. Na dia

T H O M A S S . M O N S O N

275

Page 282: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

azo fahanana ara-panahy sy ampitomboana hatrany aza izanyfijoroana ho vavolombelona izany rehefa mandalina ianareo, syrehefa mivavaka mba hahazo fitarihana ary rehefa manatrika ireofivoriam-piangonana isan-kerinandro, dia miankina aminareoihany ny hitazonana izany fijoroana ho vavolombelona izanymba ho velona. Hiezaka hamotika izany amin’ny heriny rehetra iSatana. Mandritra ny fiainanareo manontolo dia mila mikolokoloizany ianareo. Tahaka ny afo izay misy lelafo miredareda, nyfijoroanareo ho vavolombelona koa—raha tsy kolokoloinalalandava—dia hitsilopilopy toy ny vain’afo efa ho faty ary avyeo maty tanteraka. Tsy tokony havelanareo hitranga izany.

Ankoatry ny fanatrehana ireo fivoriana isan’ Alahady sy ireotakarivam-piaraha-mientana mandritra ny herinandro, dia rahamanana fahafahana hanatrika seminera ianareo, na izany isa-maraimbe na amin’ny fotoana tsy ianarana any an-tsekoly diaararaoty izany. Maro aminareo no manatrika seminera amin’izaofotoana izao. Toy ny zava-drehetra eo amin’ny fiainana ihany diamiankina amin’ny fomba fihetsikareo sy ny fahavitrihanareorehefa ampianarina ihany ny ahazoanareo zavatra maro avyamin’ny zavatra iainanareo ao amin’ny seminera. Enga anie hofeno fanetren-tena sy faniriana hianatra ny fihetsikareo. Tenafeno fankasitrahana aho noho ny fahafahana nananako nanatrikaseminera isa-maraimbe fony aho zatovo, satria nitana anjaratoerana manan-danja teo amin’ny fivoarako sy ny fivoaran’nyfijoroako ho vavolombelona izany. Afaka manova fiainana nyseminera.

Taona maro lasa izay, dia tao anatin’ny filankevi-pitantanan-draharaha iray izay aho niaraka tamin’ny lehilahy nahafinaritrairay izay tena nahita fahombiazana teo amin’ny fiainany. Tenananaitra ahy ny fahamarinan-toetrany sy ny firaiketam-po aman-tsainy tamin’ny Fiangonana. Nahafantatra aho fa nahazofijoroana ho vavolombelona sy lasa mpikamban’ny Fiangonanaizy noho ny seminera. Tamin’izy nanambady dia efampikambana tato am-piangonana efa hatry ny fahakeliny nyvadiny. Tsy mba nikambana tamin’ny fiangonana na taiza nataiza kosa anefa izy. Nandritra ny taona maro ary na dia teo azany ezaka rehetra nataon’ny vadiny dia tsy naneho fahaliananahiangona hiaraka amin’ny vady aman-janany mihitsy izy. Avy eo

F I V O R I A M B E N ’ N Y Z A T O V O VA V Y M A N E R A N - T A N Y

276

Page 283: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

dia nanomboka nanatitra ny roa tamin’ireo zanany vavynanatrika seminera isa-maraimbe izy. Mijanona ao anaty fiara izymandrapahavitan’ny fotoam-pianarana seminera ary avy eo diamanatitra azy ireo any an-tsekoly. Avy ny orana indray andro aryhoy ny iray tamin’ireo zanany vavy hoe: “Midira ry Dada a!Afaka miandry ao an-dalantsara ianao.” Nanaiky ilay fanasanaizy. Nisokatra ny varavaran’ilay efitrano fianarana ary diananomboka nihaino izy. Nanohina ny fony ny zavatra reny.Niara-nanatrika seminera tamin’ny zanany vavy nandritra ireofotoam-pianarana sisa tao anatin’ilay taom-pianarana izy, aryizany dia nitarika azy ho lasa mpikamban’ny Fiangonanatamin’ny farany sy ho lasa mazoto ato am-piangonana nandritrany androm-piainany manontolo sisa. Avelao hanampy anareohamolavola sy hampahatanjaka ny fijoroanareo hovavolombelona ny seminera.

Hisy ireo fotoana hiatrehanareo olana izay mety hampidi-doza ny fijoroanareo ho vavolombelona, na metyhanadinodinoanareo izany rehefa manao zavatra hafa mahalianaanareo ianareo. Miangavy anareo aho mba hihazona izany homatanjaka. Andraikitrareo, ary anareo irery ihany ny mihazonailay lelafony hiredareda. Takiana ny hanaovana ezaka saingyezaka izay tsy hanenenanareo velively izany. Tsaroako nytonon’ny hira iray nosoratan’i Julie de Azevedo Hanks. Rahaniresaka momba ny fijoroany ho vavolombelona izy diananoratra hoe:

Ao anatin’ny rivotry ny fiovaovanaSy hodidinin’ny raho-mitataon’ny fanaintainanaNo hihazonako foana izany ao anatin’ny fiainakoIlaiko ilay hafanana—Ilaiko ilay hazavanaNa dia hahery vaika aza ny oram-baratraDia mijoro hanohitra ilay orana mivatravatra ahoMitoetra foanaHo mpitazona an’ilay lelafo aho.1

Enga anie ianareo hino ary avy eo hihazona ilay lelafon’nyfijoroanareo ho vavolombelona hiredareda, na inona na inonahitranga.

T H O M A S S . M O N S O N

277

Page 284: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

Manaraka an’izany ry zatovovavy dia mankatoava.Mankatoava ny ray aman-dreninareo. Mankatoava nylalàn’Andriamanitra. Nomen’ny Ray any an-danitra be fitiavanaantsika izy ireny. Rehefa ankatoavina izy ireny dia hahombykokoa ny fiainana ary tsy hanahirana loatra. Ho mora zakainakokoa ireo fanamby sy olana atrehintsika. Hahazo ireo fitahiananampanantenain’ny Tompo isika. Nilaza Izy hoe: “Mitaky ny fosy ny saina marisika ny Tompo; ary ny marisika sy ny mpankatòno hihinana ny soa amin’ ny tanin’ i Ziona amin’ izao androfarany izao.”2

Indray mandeha ihany isika no miaina. Ataovy izayvitanareo mba hanakanana ny olana tsy hiditra ao anatin’izany.Indraindray ianareo dia ho alain’olona fanahy, olona izaynoeritreretinareo hoe namana.

Taona maro lasa izay dia niresaka tamin’ny mpanoro hevitrairay ao amin’ny kilasy Farimbona aho, izay nilaza tamikomikasika ny zavatra iray niainany niaraka tamin’ny iraytamin’ireo zatovovavy tao amin’ny kilasy niandraiketany.Tratran’ny fakam-panahy foana hiala amin’ny lalan’nyfahamarinana ary hanaraka ilay lalana miolankolan’ny fahotanaio zatovovavy io. Rehefa tratran’ny fandresen-dahatra tsy tapakaavy tamin’ireo namany sasantsasany tany an-tsekoly izy diananaiky tamin’ny farany hoe handeha amin’ilay lalanamiolankolana. Napetraka ny drafitra: mody hiteny amin’ny rayaman-dreniny izy hoe hanatrika takarivam-piaraha-mientanaataon’ny Zatovovavy. Ny tetiny anefa dia ny hijanona ao vetivetyfotsiny mandrapakan’ireo ankizivavy namany sy ireo tovolahyhiaraka amin’izy ireo azy. Dia avy eo izy ireo handeha anyamin’ny lanonana iray izay ahitana fandrosoana zava-pisotromisy alikaola sy fanaovana fihetsika izay mifanohitra tanterakaamin’ny zavatra fantatr’ity zatovovavy ity hoe marina.

Nivavaka ilay mpampianatra mba hahazo fanentanam-panahy entina hanampiana ireo zatovovaviny rehetra faindrindra hanampiana ity zatovovavy iray manokana ity, izay toanisalasala tokoa mikasika ny fanoloran-tenany amin’nyfilazantsara. Nahazo fanentanam-panahy ilay mpampianatratamin’io hariva io mba hanajanona ny zavatra nokasainy hataoary dia niresaka tamin’ireo zatovovavy mikasika ny fijanonana

F I V O R I A M B E N ’ N Y Z A T O V O VA V Y M A N E R A N - T A N Y

278

Page 285: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

ho madio ara-pitondrantena izy. Rehefa nanomboka nizara izaytao an-tsainy sy izay tsapany izy dia nanomboka nijery tsy tapakany famataranandrony ilay zatovovavy resahina eto, mbahahazoany antoka fa tsy ho tara amin’ilay fotoana iarahanamiaraka amin’ireo namany izy. Kanefa rehefa nitohy hatrany nyfifanakalozan-kevitra dia voakasika ny fony, tonga saina izy arynanavao ny fanoloran-tenany indray. Rehefa tonga ny fotoana diatsy noraharahiany ilay anjomaran’ilay fiara nanenoneno niantsoazy. Nijanona niaraka tamin’ny mpampianany sy ireozatovovavy tao amin’ny trano fianarany izy ny takarivamanontolo. Voasoroka ilay fakam-panahy hiala amin’ny lalanaankatoavin’Andriamanitra. Rava ny teti-dratsin’i Satana.Nijanona kely ilay zatovovavy taorian’ny nivoahan’ireo hafa mbahahafahany misaotra ilay mpampianany noho ny lesona ary mbahahafahany mampahafantatra azy fa tena nanampy azy hisorokazavatra izay mety ho nitera-doza izany. Voavaly ny vavak’ilaympampianatra.

Henoko taty aoriana fa satria nanapa-kevitra izy tamin’ioalina io ny tsy handeha hiaraka amin’ireo namany—izaysasantsasany amin’ireo zatovovavy sy zatovolahy malaza tao an-tsekoly—dia nailikilik’izy ireo tsy ho namany ity zatovovavy ityary tsy nanana namana nandritra ny volana maro izy tao an-tsekoly. Tsy neken’ny sain’izy ireo hoe nandà tsy hanao ireozavatra nataon’izy ireo izy. Fotoana tena faran’izay sarotra synahatsapana ho irery tokoa izany, kanefa nijanona ho mafy orinaizy ary farany dia nahazo namana izay niaina fitsipika nitovytamin’ny azy. Ankehitriny efa taona maro aty aoriana dia vitafanambadiana tany amin’ny tempoly izy ary manan-janaka efatramahafatifaty. Mety ho nanao ahoana re ny fiainany raha tsynanao izany e! Ny fanapahan-kevitra raisintsika no mamaritra nyhoavintsika.

Ry zatovovavy sarobidy, apetraho ity fanontaniana ity eoamin’ ireo fanapahan-kevitra rehetra izay raisinareo: “Hiterakainona eo amiko izany? Hitondra inona ho ahy izany?” Ary aokailay fitsipi-pitondrantenanareo tsy hoe: “Inona izao no hoeritreretrin’ny hafa momba ahy?” fa kosa ho ny hoe: “Inona no hoeritreretiko momba ahy?” Meteza ho tarihin’ilay feo tony symalefaka. Tsarovy fa nametraka ny tanany teo ambony lohanareo

T H O M A S S . M O N S O N

279

Page 286: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

ny olona iray nanana ny fahefana nandritra ny fandraisana anaoho mpikambana ary nilaza hoe: “Raiso ny Fanahy Masina.”Sokafy ny fonareo, ny aty fanahinareo mihitsy aza, mba handreilay feo miavaka izay hijoro ho vavolombelona momba nyfahamarinana. Nampanantena ny mpaminany Isaia hoe: “Nysofinao dia handre teny . . . manao hoe: Ity no lalana, kaandehano.”3

Ny toetra mahazatra hita amin’izao androntsika izao dia nyfileferana amin’ny ratsy. Ireo gazetiboky sy fahitalavitra diamanoritsoritra ireo olo-malaza mpilalao sarimihetsika symaherifo ara-panatanjahan-tena—ireo olona izay tian’ny tanoramaro halaina tahaka—izay tsy miraharaha nylalàn’Andriamanitra sy manao zavatra mamohehatraampahibemaso, ho toy ny hoe tsy hitondra voka-dratsy velively.Aza mino ireny! Ho avy ny fotoam-pitsarana—hanokafana ireoboky firaketana rehetra mihitsy. Tsy maintsy hitaty ny vokatry nyasa nataontsika isika—raha tsy eto amin’ity fiainana ity dia anyamin’ny fiainana hoavy. Ho avy ho an’ny olon-drehetra nyFitsarana Farany. Vonona ve ianareo? Moa ve afa-po amin’ireoasa vitanareo ianareo?

Raha toa ka nisy lavo nandritra ny diany teny diamampanantena anareo aho fa misy ny lalana ahafahanamiverina. Izany dingana izany dia antsoina hoe fibebahana. Matyny Mpamonjy mba hanomezany ahy sy anareo izany fanomezanalehibe izany. Na dia sarotra aza ny lalana dia tena marina nyfampanantenana. Hoy ny Tompo hoe: “Na dia tahaka ny jaky azany fahotanareo, Dia ho fotsy tahaka ny oram-panala.”4 “Ary tsyhotsarovako intsony [izy ireny].”5

Ry anabavikeliko malala, manana ilay fanomezana sarobidyianareo dia ny fahafahana misafidy izany. Miangavy anareo ahomba hisafidy ny hankatò.

Farany, mahareta. Inona no dikan’ny hoe maharitra? Tiako ityfamaritana ity: miaritra amin-kerimpo. Mety ilainareo ny herimpomba hinoana ary indraindray dia ho ilainareo izany mbahahafahana mankatò. Tena ilainareo tokoa izany mbahaharetanareo mandrapahatongan’ilay andro hialanareo etoamin’ity fiainana an-tany ity.

F I V O R I A M B E N ’ N Y Z A T O V O VA V Y M A N E R A N - T A N Y

280

Page 287: Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182media.ldscdn.org/pdf/general-conference/april-2012... · 2012-09-20 · anatin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fizotran’ny

1.

2.

3.4.5.6.

Niresaka tamin’ny olona maro aho nandritra ny taona maroizay nilaza tamiko hoe: “Manana olana maro be aho, tenamahavaky loha. Tena tototr’ireo olan’ny fiainana aho. Inona noazoko atao?” Nomeko ity torohevitra manokana ity izy ireo aryomeko anareo koa izany anio: Katsaho ao anatin’ny andro irayisaky ny mandeha ny fitarihan’Andriamanitra. Sarotra ny miainaao anatin’ny fiahiahiana ny hoavy fa mora kosa ny miaina aoanatin’ny fiatrehana ny ankehitriny. Afaka ny ho marina aoanatin’ny iray andro isika—dia avy eo mitoetra ho marina indrayny andro aorian’izay ary toy izany hatranyhatrany—mandrapiainantsika fiainana izay tarihin’ny Fanahy, syfiainana izay manakaiky ny Tompo ary fiainana ahitana nyfanaovana asa tsara sy ny fahamarinana. Nampanantena nyMpamonjy hoe: “Mijere aty Amiko ary mahareta hatramin’ nyfarany dia ho velona ianareo; fa izay maharitra hatramin’ nyfarany no homeko ny fiainana mandrakizay.”6

Izany no antony nahatongavanareo eto amin’ity fiainana an-tany ity ry tanora namako. Tsy misy zavatra manan-danja kokoanoho ilay tanjona izay ezahanareo tratrarina—dia ny fiainanamandrakizay ao amin’ny fanjakan’ny Rainareo.

Sarobidy ianareo. Zanakavavy sarobidin’ny Rainareo any an-danitra izay nandefa anareo ety an-tany amin’izao andro izao syamin’ity fotoana ity noho ny antony manokana. Natokana mbaho avy amin’izao fotoana izao mihitsy ianareo. Raha mino symankatò ary maharitra fotsiny ianareo dia zavatra mahatalanjonasy tena lehibe no miandry anareo. Enga anie hahazo izanyfitahiana izany ianareo, izany no vavaka ataoko amin’ny anaran’iJesoa Kristy, Mpamonjy antsika, amena.

FanamarihanaJulie de Azevedo Hanks, “Keeperof the Flame” Treasure the Truth(compact disc, 1997).Fotopampianarana syFanekempihavanana 64:34.

Isaia 30:21.Isaia 1:18.Jeremia 31:34.3 Nefia 15:9.

T H O M A S S . M O N S O N

281