30

FIVORIAMBE - Assemblée Nationale - … · 8. VELONJARA Paul Bert 9. ... Noho ny tsy fahatrarana ny fetr’isa ahazoana mandray fanapahan-kevitra dia niato telopolo ... 320 000 000

Embed Size (px)

Citation preview

1

FIVORIAMBE FILOHA : Andriamatoa MAHAZOASY Mananjara Freddie Richard MPITANTSORATRA : - Andriamatoa HELSON Brisson Erafa

- Ramatoa RABETAFIKA Norovelomampionona Roberthine FOTOANA : Talata 17 Novambra 2015, tamin’ny 4 ora sy 10 minitra, tolak’andro. FANDAHARAM-POTOANA : Fandinihana sy fandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny tolo-dalàna fehizoro laharana faha-11-2014/PL « portant octroi de Fonds Local de Développement (FLD) au profit des Collectivités Territoriales Décentralisées de base, présentée par le Vice-président de l’Assemblée Nationale REMI dit DJAO JEAN ».

Rehefa avy niarahaba ny mpivory, Andriamtoa Filoha dia nanambara ny fitohizan’ny fivoriana. Taorian’izay, nanambara ny fandaharam-potoana izay fivoriambe handinihana sy handraisana fanapahan-kevitra mikasika ny tolo-dalàna fehizoro laharana faha 11-2014/PL momba ny tahirim-bola ifotony ho amin’ny Fampandrosoana ireo Vondrom-bahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana Fototra, natolotry ny Filoha Lefitry ny Antenimierampirenena REMI dit DJAO Jean. Taorian’izay, niangavy ny Mpampakatenin’ny Vaomiera mba hamaky ny tatitra. Nanatanteraka izany, Andriamatoa HENRI Jean Michel, ka toy izao no vakin’izany Nivory ny Talata faha-10 Novambra 2015 tamin’ny 4 ora, latsaka fahefany, ny Vaomieran’ny Atitany, nandinika ny Tolo-dalàna Fehizoro laharana faha-11-2014/PL “portant octroi de Fonds Local de Développement (FLD) au profit des Collectivités Territoriales Décentralisées de base, présentée par le Vice-Président de l’Assemblée Nationale Rémi dit Djao Jean.” Andriamatoa RIVOTIANA Jean Bosco, Filohan’ny Vaomiera no nitarika ny fivoriana. Ireto avy ireo Solombavambahoaka tonga nanatrika ny fivoriana, Ramatoa sy Andriamatoa isany :

1. RIVOTIANA Jean Bosco 2. MANANJARA Aurélie Ruffine 3. RAKOTONIRINA Joé Ernest 4. RANDIRAMIALISOA Wilson 5. HENRI JEAN MICHEL 6. RABETAFIKA Roberthine 7. RABENIRINA Maminiaina 8. VELONJARA Paul Bert 9. ROCHELIN Houssen 10. RATEFIARIVONY Jaona 11. HELSON Brisson Erafa

2

Tsy mpikambana ao amin’ny Vaomiera saingy tonga nanatrika ny fivoriana ireto Solombavambahoaka manaraka ireto, Andriamatoa isany :

1- RANDRIAMAMPIANINA Ramilison 2- HOUSSENE ABDALLAH 3- ALIDY BIN SOUFOU 4- ELITAFA Basile 5- ANDRIANJANAHARY Fanomezantsoa 6- REMI Dit Djao Jean

Ireto kosa ireo teknisiana nisolo tena ny Governemanta, Ramatoa sy Andriamatoa isany:

1- SAFIA DGRA MID 2- Benaivo ANDRIANALY Narcisse DGI MID 3- ANDRIANARIMANGA Aimé Célestin DIAAT MID 4- RAMAROSON Vero DELED MID 5- RAMAROKOTO Fenosoa Emile DLPAP MID 6- RAVETSONDASY Kelly SECA DELED MID 7- RABENANTENAINA Jimmy RED FDL

Rehefa avy niarahaba ny mpivory Andriamatoa Filoha dia nomeny an’Andriamatoa DJAO Jean, tompon’ny tolo-dalàna ny fitenenana. Nanambara ny Solombavambahoaka fa ny zavatra voalazan’ity tolo-dalàna ity dia efa nisy teo aloha. Iaraha-mahalala fa ny zavatra rehetra dia efa miakatra avokoa. Raha mila fiara 4x4 ny Zandary dia azo alaina amin’ity vola ity ny vola ividianana izany; eo ihany koa ny fanamboarana toho-drano. Raha dinihana ny vola ilain’ny Solombavambahoaka anatin’ny herintaona dia tsy ampy io vola io, izay tsy ampy kosa dia alaina amin’ny taona manaraka indray. Taorian’izany dia nomeny ny teknisiana ny fitenenana. Nisaotra ny solombavambahoaka tompon’ny tolo-dalàna tamin’ny niantsoana azy handinika ny tolo-dalàna ny teknisiana. Tsara, hoy ny teknisiana, izao tolo-dalàna izao saingy misy ihany ireo zavatra mifanohitra amin’ny Lalàmpanorenana. Anisan’izany ny voalazan’ny andininy faha-88.1 hatramin’ny.14 izay milaza fa tsy tokony ho Lalàna fehizoro ity tolo-dalàna ity. Efa miroso amin’ny fanapariaham-pahefana ny firenena ankehitriny ka manohintohina ny asa efa mandroso ity tolo-dalàna ity. Efa nisy vola natokana ho an’ny Distrika tsirairay ao anatin’ny tetibolam-panjakana 2016 ka tsy tokony hisy fifanoherana izany. Misy ny fifanoherana eo amin’ny “ordonnancement juridique” voalaza ao amin’ny andininy faha-3 amin’ity tolo-dalàna ity toy ny maha-“ordonnateur principal” ny Solombavambahoaka. Torak’izany koa ny andininy faha-4 momba ny “contrôle de légalité” ataon’ny Lehiben’ny Distrika amin’ny zavatra ataon’ny Solombavambahoaka. Raha izany no jerena dia tsy misy mpanara-maso ny vola tantanan’ny Solombavambahoaka. Noho ireo antony ireo dia nangataka ny teknisiana ny hanemorana ity tolo-dalàna ity.

3

Taorian’izany dia nandray fitenenana ny solombavambahoaka nanolotra ny tolo-dalàna. Nambaran’Andriamatoa DJAO Jean fa tsy manohintohina ny asa efa mandroso ny tolo-dalana satria ao amin’ny lalàna mifehy ny tetibola dia efa misy sora-bola saingy tsy ampy. Ka izany no hanaovana ity tolo-dalàna ity mba ho fanatsarana sy ho fampandrosoana ny fanapariaham-pahefana tena izy. Nisy Solombavambahoaka iray tao amin’ny Vaomiera nanambara fa sao variana loatra isika satria ny marina iainana any amin’ny faritra no voalaza sy avotana amin’izany ka ilaina ny fanaovana ity tolo-dalàna ity. Manamarika ihany koa izahay fa mangataka ity tolo-dalàna ity ny vahoaka rehetra satria betsaka ireo zavatra vita na dia tsy nahazo fanampiana avy amin’ny fanjakana aza ka ilaina ny hanomezana risipo ho an’ireo vahoaka ireo ohatra ny latabatra sy ny seza hipetrahana any an-tsekoly aza dia tsy misy. Noho izany dia tsy lavina ny fanitsiana ity tolo-dalàna ity raha ilaina izany. Taorian’izany dia nandray fitenenana ny teknisiana izay nanamarika fa voalaza ao amin’ny andininy faha-88 ny karazana lalàna fehizoro rehetra izay tsy misy ato anatin’ity Tolo-dalàna ity ka tsy tokony ho lalàna fehizoro izy ity. Taorian’izany dia niroso tamin’ny fametraham-panontaniana ny Solombavambahoaka:

1. Tafiditra ao anatin’ny “domaine de la loi” ve izy ity ? 2. Namaky Lalàmpanorenana aho ka tsy hitako ny tsy mampifanaraka azy ity

amin’izany ? Valim-panontaniana naroson’ny teknisiana :

1. Ny andininy faha-95 ao amin’ny Lalàmpanorenana dia mamaritra ny « domaine de la loi », tokony atao « domaine règlementaire » izy ity fa tsy atao « loi » tsotra na « loi organique ».

2. Raha mijery ny andininy faha 88 teboka voalohany ka hatramin’ny teboka faha 14 ny Lalàmpanorenana isika dia voalaza ao tsara ireo tokony làlana fehizoro tahaka ny « loi des Finances » dia làlana fehizoro.

Taorian’izany dia niroso tamin’ny fandaniana ny tolo-dalàna ny Vaomiera:

- “Titre”: lany nasiam-panovàna (jereo tovana) - « Exposé des motifs » : lany nasiam-panovàna (jereo tovana) - Andininy voalohany hatramin’ny andininy faha-5 : lany nasiam-panovàna (jereo

tovana) - Andininy faha-6 sy faha-7: lany tsy nasiam-panovàna sy tsy nasiam-panitsiana

Rehefa izany dia niroso tamin’ny fandraisana fanapahan-kevitra ny mpivory. Noho ny tsy fahatrarana ny fetr’isa ahazoana mandray fanapahan-kevitra dia niato telopolo minitra ny fivoriana.

Nolanian’ny Vaomieran’ny Fanapariaham-pahefana tamin’ny endriny nasiam-panovana ny tolo-dalàna laharana faha-11-2014/PL “portant octroi de Fonds Local de Développement

4

(FLD) au profit des Collectivités Territoriales Décentralisées de base, présentée par le Vice-Président de l’AN Rémi dit DJAO Jean” ka hoentina eo anivon’ny fivoriambe handraisana fanapahan-kevitra farany. Nifarana tamin’ny 5 ora sy 40 minitra, hariva, ny fivoriana rehefa avy nisaotra ny mpivory Andriamatoa Filoha. TOVANA FANOVANA

Version originale Version amendée

Titre : Proposition de Loi Organique

Exposé des motifs 3e paragraphe : En effet,…… au Comité Local de Développement (CLD) une somme de 320 000 000 Fmg…. 4e paragraphe : De par les recommandations…. doit être mis en place et bénéficiant d’un fonds de 400 000 000 Ariary ou de 2 000 000 000 fmg….. un pays émergents économiquement d’ici 10 ans. Article premier : Article 2 : Le plan de développement local est conjointement élaboré par le Député, le Chef district, les Maires, les Conseillers municipaux, les fonctionnaires territoriaux et de représentants de la force de l’ordre (suivant les normes exigées par l’urbanisme et le plan d’aménagement du territoire).

Titre : Proposition de Loi Exposé des motifs 3e paragraphe : En effet,…… au Comité Local de Développement (CLD) une somme de 302 000 000 Fmg…. 4e paragraphe : De par les recommandations…. doit être mis en place et bénéficiant d’un fonds de 400 000 000 Ariary ou de ….. un pays émergents économiquement dans les années à venir. Article premier : Alinéa 1 (nouveau) Il est créé un comité local de développement pour chaque District. Alinéa 3 (nouveau) Dans le District ou circonscription où il y a deux Députés la dotation est doublée Article 2 : Le programme de développement local est conjointement élaboré par le Député, le Chef district, les Maires, le Président des Conseillers municipaux, et de représentants du Services Territoriaux Déconcentrés (STD) (suivant les normes exigées par l’urbanisme et le plan d’aménagement du territoire).

5

Article 3 : Le Député préside…. Les Maires en assurent la gestion. Article 4 : Le Chef de District, en tant que représentant du pouvoir central assure le contrôle de légalité de l’acte pris par le Comité local de Développement. Article 5 : Les dons et les matériels importés par les Députés à des fins humanitaires bénéficieront de franchise douanière ou de l’exonération de taxe.

Article 3 : Le Député préside la réunion du Comité Local de Développement. Il dirige, ordonne et veille à son exécution. Article 4 : Le Représentant de l’Etat est l’ordonnateur secondaire. En tant que tel il contrôle la légalité de l’acte pris par le Comité Local de Développement

Article 5 : Les dons et les matériels importés aux noms du Comité local de Développement bénéficieront de franchise douanière ou de l’exonération de taxe.

Rehefa avy nisaotra ny Mpampakateny, Andriamatoa Filoha. Tsy nisy Solombavambahoaka nanao fanitsiana ny tatitra; torak’izany koa ny solotenan’ny Governemanta. Taorian’izay, nomena fitenenana ny Filoha Lefitry ny Antenimierampirenena, Andriamatoa REMI dit DJAO JEAN izay namolavola ny tolo-dalàna mba hamelabelatra ny antonanton’izany. Nambarany fa izy no nanao ity tolo-dalàna ity ho fandinihana voalohany ny fampivoarana ny firenena sy fanetsehana ny “décentralisation”. Ny Solombavambahoaka no tokony ho lehiben’izany “décentralisation” izany satria tamin’ny nilatsahan’ny hofidina, tsy nisy Solombavambahoaka tsy nilaza fa tsy hanasoa ny firenena. Hangataka amin’ny Minisitra foana ve rehefa hanao izany “décentralisation” izany. Rehefa nahafantatra izany aho ary efa nisy teo taloha koa izany tamin’ny andron’ny Filohampirenena ZAFY Albert sy ny Praiminisitra Francisque RAVONY; nisy vola nomena ho an’ny CLD izay mitentina “302 Millions Fmg” tamin’izany. Taty aoriana, nangatahana ary niakatra “400 Millions Fmg” indray. Nisy ihany izany io vola io. Ny “gestionnaire” tamin’izany dia ny “Chef de District” ary ny Solombavambahoaka no Filohany. Nahavita zavatra maro tokoa ny Solombavambahoaka tamin’izay fotoana izay. Betsaka ny zavatra vita nampanantenaina ny vahoaka ary tsy tapaka mandeha “tourné” tamin’izany manatanteraka ny fangatahan’ny vahoaka. Rehefa nisy izany vola izany, nivory momba ny fanapahan-kevitra ny “Chefs de Services” rehetra amin’ny toerana iray ao amin’ny “District”, ny Ben’ny Tanana, ny Filohan’ny Mpanolotsaina. Ny Solombavambahoaka no Filoha mitarika azy. Samy mandinika hoe inona hampandrosoana ny faritra misy antsika. Raha amin’izao fotoana izao, ny fiheverako azy tokony ho “2 Milliards Fmg” izany satria mitombo ny filan’ny Distrika sy ny filan’ny vahoaka. Ohatra, amin’ny toerana misy dahalo, mety hitady fiara hanenjenana dahalo. Ny vidin’ny fiara mety ho 4x4 mahatratra “400

6

Millions Fmg” any ho any, ny “lycée” iray mety ho “500 Millions Fmg”, ny tohadrano mety ho “800 Millions Fmg”. Raha tsy vola “2 Milliards Fmg” izany farafahakeliny tsy hahavita zavatra mihitsy ho fampandrosoana ny faritra iray. Raha izay no azo, inoako fa handroso marina ary ho tonga amin’ny “décentralisation” tena izy, handroso ny faritra tsirairay. Izay no nahatonga ahy hoe aleo hatao lalàna. Tsy zavatra hoforonina fa efa nisy teto tamin’ny firenentsika izany. Raha vitantsika izany, mino aho ry Solombavambahoaka namana fa tsy hangataka lalandava intsony isika. Hapetraka sy ho hita amin’ny “loi de finances” fidintsika isan-taona izany vola izany satria lasa tompony mangataka atiny isika raha tsy misoratra izany. Efa niteny momba izay zavatra izay aho, rehefa lany ny lalàna, isika indray no atao tsinontsinona. Ohatra, tamintsika nandeha tany Iavoloha. Vao lany ny lalàna teto, natsoina tany Iavoloha izahay Solombavambahoaka, isika Birao Maharitra. Inona no zava-nisy: Nampidirina izahay Birao Maharitra, ny “Maires urbains” no napetraka talohanay fa izahay tany aoriana. Nisolotena ny “Bureau permanent” izahay tamin’izay fotoana izay; ny Filoha Lefitry ny Faritanin’i Toamasina no napetraka teo akaikin’ny Minisitra. Aiza ny « protocole », aiza ny toerana ametrahana antsika Solombavambahoaka. Averina ato ami’ny “Fonds Local de Développement” amin’izay resaka : Mangataka antsika Solombavambahoaka tsirairay aho mba handany ity tolo-dalàna ity. Miangavy an’ireo teknisiana koa mba hanambara izay tsy mety ao aminy, hanitsy azy mba ho lany any amin’ny HCC ka hanaraka ny lalàna tena izy. Miala tsiny amin’ny Solombavambahoaka, tsy hoe izaho no be saina na mahay zavatra, tsy izany fa hetahetam-poko ity Tompokolahy sy Tompokovavy. Fitiavan-tanindrazana mba ho fanaovana fampandrosoana ho an’ny tanindrazantsika. Rehefa avy nisaotra ny Filoha Lefitry ny Antenimierampirenena tamin’ny fanazavana narosony, Andriamatoa Filoha dia nomeny an’Andriamatoa Minisitra ny fitenenana hitondrany ny heviny mikasika ity tolo-dalàna ity. Nisaotra an’Andriamatoa Filoha, Andriamatoa MAHAFALY Solonandrazana Olivier, Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana ary nilaza fa misaotra ny Solombavambahoaka tsy ankanavaka tamin’ny nanaovana ity tolo-dalàna ity. Mendri-piderana tokoa izany satria tena ao anatin’ny Solombavambahoaka ny fieritreretana ny hametraka eto Madagasikara ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Itoviana ny hevitra satria anisan’ny tanjona ny fametrahana izany fitsinjaram-pahefana tena izy izany. Porofon’izay, niara-nisalahy tamin’ny fandaniana didy aman-dalàna maro momba ny fitsinjaram-pahefana, miampy ny finiavana mikasika ny handaniana ny tetibola taona 2016 izay soloin’ny Minisiteran’ny Tetibola ny fanjakana foibe. Sarotra aminay ny hanolo-bato-mafana antsika mianakavy. Tsy hisorona ny hiteny ny mahamety an’ity tolo-dalàna ity izahay mba tsy hifanomezan-tsiny indray andro any. Ny zavatra tena mahamenatra amin’ny tany mandala ny Demokrasia dia ny fandefasana na tolo-dalàna na ny volavolan-dalàna any amin’ny fitsarana izay miahy ny “constitutionnalité” raha sanatria ka “rejeté en bloc” ny zavatra atao. Henatra izany ka aleo misoroka toy izay mitsabo.

7

Araka ny nambara teo, efa nisy tokoa izany teto amin’ny firenena fa ity ary mitovitovy amin’ny “Comité Local de Développement” na ny CLD. Ny tiana ambara, tsy mitovy ny lalàna mifehy an’i Madagasikara tamin’izay fotoana izay. Tsy nitovy tamin’ny lalàna nolanianareo teto ny lalàna tamin’izay. Isaorana ianareo tamin’ny fandaniana ny lalàna maro mikasika ny “décentralisation” tato. Raha jerena ny “parallélisme de forme” ; tamin’iny CLD iny, tsy “loi organique” ary tsy lalàna tsotra akory no nametrahana azy fa “arrêté interministériel”. Tiako ny ametrahana izay fanamarihana voalohany izay. Fanamarihana faharoa, hiteny zavatra iray izay didim-panjakana efa misy aho rehefa avy eo kanefa mialohan’izay, tiako ny mametraka amintsika hoe maninona tamin’iny, tsy tany amin’ny “District” akory anie no “Secrétaire Général” izay “gestionnaire de fonds du CLD” fa nisy karazana rafitra; miala tsiny amin’ny fomba fiteny aho, nisy rafitra sadasada napetraka satria tamin’ireny fotoana ireny, ny “Sous-Préfet” sasantsasany, sady « Sous-Préfet » izy no « Président »-n’ny Fivondronana. Tamin’izay fotoana izay, ny Fivondronana dia vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana; tamin’ny alalan’io no nahafahany nitantana ny volan’ny CLD fa tsy tamin’ny maha « Sous-Préfet » amin’ny maha solotenam-panjakana azy. Somary hiverina amin’ny fanazavana teo aho. Ialako tsiny, ialako fondro fa izay no tiako tenenina: aleo tsy misorona manazava ny mety hanatsaratsarantsika ity tolo-dalàna ity. Araka ny efa nambaran’ny teknisiana, raha jerena ny Lalàmpanorenana, andininy faha-88 ka notanisaina hoe inona daholo no tafiditra ao amin’ny Lalàna Fehizoro, tsy voasokajy mihitsy ary tsy tokony hotafiditra ao anaty Lalàna Fehizoro ity tolo-dalàna ity. Raha jerena koa ny andininy faha-95, sarotra ny hampidirana azy ho lalàna tsotra. Izay mihitsy no nahatonga ny fitondrana teo aloha nametraka an’io tao anaty “arrêté interministériel”. Fampieritreretana ny anay, raha tiantsika ny hametraka ny « parallélisme de forme », izay no soso-kevitra avy aminay. Araka ny noresahana teo, efa manana didim-panjakana isika ary ny Governemanta no nanao azy. Ohatra ny “décret n°2015-957” nametrahana ny « structure locale de concertation » izay mifanindran-dalana amin’ny zavatra eritreretintsika Solombavambahoaka; satria ny tanjona, araka ny fanitsiana napetrakareo ao amin’ny andininy faha-3, fa nesorinareo ny « ordonnateur principal », najanonareo ny hoe « présider » izay manao « suivi » amin’ny fampiasana ny vola. Efa misy didim-panjakana izay noresahako teo, ao amin’ny andininy faha-9, mazava tsara fa ny Solombavambahoaka eo anivon’ny Faritra dia tafiditra ao anatin’io « structure locale de concertation » io. Raha tiantsika asiana fanovàna kely, maninona raha izy mihitsy no mi-« présider » azy. Tsy maninona izany satria tena mahafinaritra ny mahita olom-boafidy, Solombavambahoaka mandray andraikitra amin’ny fijerena sy fiahiana ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Hamaranana azy, Andriamatoa Filoha, ianareo Birao Maharitra ary isika Solombavambahoaka: miangavy izahay raha tiantsika ho ara-dalàna ity zavatra mahafinaritra itoviantsika hevitra ity satria ny hisian’ny fitsinjaram-pehefana tena izy no tanjona. Ny « forme » no tsy mety satria tsy azo raisina ho “Loi Organique”, tsy azo raisina ho lalàna tsotra ihany koa.

8

Tsy maninona satria misy « loi de finances 2016 » izay hiditra eto, maninona raha maka « décret d’application » ao anatin’iny aloha isika. Amin’izay fotoana izay, ao anaty “décret” isika no mampiditra ny hetahetantsika rehetra kanefa araka ny nolazana teo, tsara ny nanafoananareo ny teny hoe “si possible” ny maha-“ordonnateur principal” ny Solombavambahoaka. Araka ny nolazaina teo, ity « structure locale de concertation » ity, mihoatra noho izay zavatra izay eritreretintsika no ao anatiny satria isika mieritreritra hoe amin’ny “gestion de fonds” mihitsy fa hatramin’ny fandrafetana na “élaboration de budget”, ity « structure locale de concertation » no miaraka amin’ny tompon’andraikitra any anivon’ny vondrom-pahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, mamolavola ny « budget » sy ny fanatanterahana azy; mijery ny laharam-pahamehana ao anatin’ny faritra. Heverina fa lasa lavitra ity didim-panjakana ity raha miohatra amin’izay eritreretintsika. Araka ny notenenina teo, miangavy izahay, tsy manery sanatrian’izany mba ho « arrêté » na “décret d’application de loi de finances » no hanatanterahantsika azy. Miangavy koa hi-« tenir compte » ny fanamarihana izay nataonay teo ny Solombavambahoaka namana. Taorian’izay, nisaotra an’Andriamatoa Minisitra, Andriamatoa Filoha, tamin’ny famelabelarana nataony ary nanome fitenenana ny Solombavambahoaka. Andriamatoa RAKOTOMANJATO Rodin Edmond Georges rehefa nomena fitenenana, nisaotra tamin’ny fanazavana nataon’ny Minisitra. Taorian’izay, nilaza fa inona no mety hahatsara azy satria efa niaina naharitra tamin’izany ny Solombavambahoaka. Nanamarika koa fa tamin’ity Repoblika Fahefatra ity, nolazaina fa hanao “décentralisation effective” mihitsy. Tsapa fa tena misy ny fitongilanana amin’izao fotoana izao. Raha mipetraka izay zavatra noresahana teo, iangaviana mba tsy ho any amin’ny Faritra satria tatitra diso no alefa any amin’ny Minisitera kanefa lany fotsiny ny “budget”. Raha ny zavatra tsapa any amin’ny Distrika nahalany ny Filohampirenena ihany no mahazo vahana amin’ny asa ataonay kanefa izahay te-hiasa, te-hanatanteraka asa ho an’ny vahoaka. Tokony ho fantatra hoe inona no maharary ny Distrika misy anay. Izahay no mitondra ny vola, hainay ny mitsinjara azy avy eo. Izahay no mi-“présider” azy saingy tsy mitantana ny vola. Andriamatoa RAKOTOMALALA Lucien kosa nanamarika fa faran’izay bado ity Andrimpanjakana ity raha ny zava-miseho no jerena. Isak’izay misy “proposition de loi” entin’ny Solombavambahoaka ka aroso eto, ho “rejeter” izany raha tonga any amin’ny HCC. Izay hatrany no tenin’ny Governemanta. Halefa any aminy ny tolo-dalàna lany eto, raha manana fianivana izy, tokony mba hametraka “obsérvation”. Mbola tsy nisy tamin’ity “législature” ity “proposition de loi” nataon’ny Solombavambahoaka ka lany izany. Amin’izao, efa misy milaza sahady fa ho “rejeter” ity rehefa tonga any amin’ny HCC. Tamin’ny andron’ny Filoha ZAFY Albert, efa nisy io CLD io; rehefa tonga, Andriamatoa RATSIRAKA Didier, nanohy azy ary nampiakariny ho “406 Millions Fmg” izany. Tonga Andriamatoa RAVALOMANANA Marc, nesoriny, nofoanany tanteraka. Tonga ity fitondrana manaraka ity, tamin’ny taona lasa ny “loi de finances” tsy nisy an’izany CLD izany. Ny tiana holazaina, Andriamatoa Filoha, Andriamatoa Minisitra, holovan’ny taranaka faramandimby

9

ity lalàna ity izany mba tsy izay sitrapon’ny mpitondra fanjakana mifandimby eto amin’ny tany sy ny fanjakana no hanao izay tiany hatao fa tokony handinika. Tsy nisy naharatsy an’izany tamin’ny andron’Andriamatoa ZAFY Albert, fa ianareo no mahita hoe tsy ara-dalàna; izahay kosa nahita ny fampandrosoana tany amin’ny Distrika tsirairay nisy anay. Ny zavatra vitanay tamin’izany mbola ao hatramin’izao. Rehefa tiana apetraka dia apetraka indray. Efa hitanay any amin’ny “loi de finances” ihany saingy tsy mazava tsara, manjavozavo. Ny Lehiben’ny Faritra no tena “patron” be mitantana azy fa tsy ny Solombavambahoaka izany. Ny tiana hotenenina, mba hahatonga azy haharitra, tsy hampiova azy intsony satria izany “décentralisation” izany efa nanomboka tamin’ny Repoblika Fahatelo ary izay no teny filamatra : « décentralisation effective » fitsinjaram-pahefana tena izy kanefa ny fanatanterahana azy, arakarak’izay mpitondra eo. Fanamarihana kely : ho ahy izay tsy mahay lalàna, tokony hisy resaka “flexible” ihany io “2 Milliards” satria natao haharitra ny lalàna, afaka 50 taona, mety tsy hahavita na inona na inona io vola io. Isaorana ny Filoha Lefitra REMI dit DJAO Jean nanana eritreritra nanao ity “proposition de loi” ity. Halefa any kanefa mety ho-« rejeter »-n’ny HCC, amin’izay fotoana izay, afaka eo anatrehan’ny vahoaka Malagasy nifidy antsika isika satria nitaky an’izany « décentralisation effective » izany marina isika. Mangataka antsika Solombavambahoaka mba handany azy ity na dia ho-“rejeter”-n’ny HCC aza. Andriamatoa RAVELOARIVONJY Behavana rehefa nandray fitenenana dia nilaza fa hafa noho ny eritreretin’ny olona ny azy. Ny maha-hafahafa azy, efa niteny, Andriamatoa Minisitra, teo ary niahiahy sao ho-“rejeter” ity zavatra ity, ka hiditra amin’ny vahaolana avy hatrany. Misaotra ny namana Solombavambahoaka REMI dit DJAO Jean satria tsy tombotsoany irery no arovana fa tombotsoan’ny Solombavambahoaka rehetra sy an’i Madagasikara. Raha ho ratsy ihany ity zavatra ity, aleo miditra amin’ny resakao teo, Andriamatoa Minisitra, iny no mety, izahay ihany no hi-“présider” azy. Ampidiro ao izay, izahay no ho Filohan’io satria ny olana any aminay, efa tsy raharahin’ireo mpiara-miasa aminao intsony izahay. Tsy asiany dikany izahay, lehibe loatra ny “pouvoir”-n’ireo ary efa nampiahiahy anay izany. Miangavy anao izahay, Andriamatoa Minisitra, ianao no nanome ny soso-kevitra teo. Izaho tsy miteny hoe ho-“réfuser”-n’ny HCC, saingy te-handondona, hampahatsiahy sahady fa hanampy anay ianao, hiteny hoe: ity no lalana haleha. Ho fanombohana, hoy Andriamatoa RABENIRINA Jean Jacques, misaotra an’Andriamatoa Minisitra, tamin’ny fanazavana amin’ny fo tony, ampirahalahiana tanteraka satria ny zavatra niainanay faramparany tato raha nandalo ny Praiminisitra, natao sahalan’ny mpianatra any amin’ny EPP izahay, trerotrerona, feo avo, valin’ny fingika fingaka, ambadik’i Sahondra; izay no niainanay tato. Isaorana satria tamin’ny fo tony ary ny fo tezitra tsy ananan-drariny; efa zokinjokiny isika ka mety hiakatra haingana ny tosidrà.

10

Hoy Andriamatoa Minisitra teo: raha ohatra halefantsika ity “proposition de loi” izay be lesoka ara-teknika ity, mahamenatra raha tany demokratika ka hidona amin’ny rindrina rehefa tonga any amin’ny HCC. Mbola mahamenatra noho izany ny zava-niseho tamin’ny fifidianana amin’ny tany demokratika, nisy “bureau de vote” tamin’ny 3 ora, tamin’ny 1 ora dia efa nakatona. Tany demokratika isika amin’io Andriamatoa Minisitra. Inona no demokrasia satria fanehoan’ny vahoaka ny heviny malalaka iny. Hiditra fifidianana senatorialy isika izao, lazaina hoe: “centre de vote” ny “chef lieu de district” nefa mbola voazarazara koa ny Kaominina, fantatra hoe ny birao fandatsaham-bato laharana izao ao amin’ny Kaominina izao, ny “bureau de vote” tao amin’ny Distrika izao ao amin’ny Kaominina izao. Fantatra izany fa ny Kaominina izao, nifidy ny lisitra izao, na tsy nifidy ho an’ny lisitra izao. Inona no dikan’izay. Anaovana antsojay ve ny Kaominina sa hoterena, ho fantatra ianareo raha tsy mifidy an’izao lisitra izao. Mahamenatra ihany izany ho an’ny tany Demokratika. Tsetsatsetsa tsy aritra iny, fa rehefa nihaino ny fanazavanao teo, manga ny lanitra. Ny zava-misy aminareo Mpanatanteraka sy izahay Antenimierampirenena, toy ny hoe misosa sy milamina, tsy misy hoatran’izany. Fomban-javatra ihany izay. Izao no nolazain’ny namana Solombavambahoaka: tsy mbola nisy “initiative de loi” noraisinay tato ka neken’ny HCC. Fantatray anie fa hidona amin’ny rindrina koa ity, satria ianareo izao efa manao “travail” eny amin’ny HCC. “Juriste” ianao, Andriamatoa Minisitra, ka tsy hiditra amin’izay hoe “loi organique” aho na tsia. Araka ny teninao teo hoe sady “Chef District” no “Président”-n’ny Fivondronana, tsy marina izany. Izay “Chef de District” lasa “Président”-n’ny Fivondronana, tsy izy intsony no Delegen’ny Fivondronana. Ny “Président du Comité Exécutif”-n’ny Fivondronana, izy no niaraka tamin’ny Solombavambahoaka fa ny “Chef de District” aza efa tsy nisy tamin’ny fiverenan’Andriamatoa ZAFY Albert. Tsy mitombina ny zavatra voalazanao teo. Ireo Solombavambahoaka izay efa nanana traikefa, efa nahavita “mandats” maromaro no vavolombelona manaporofo an’izay. Mikasika ny hoe hisy “décret” hamboarina mikasika ny “structure locale de concertation”. Tena mahafinaritra ny maheno ny anarana, indrindra raha mba mijery “Petit Robert” na “Larousse”; izany “concertation” izany, nisy fikaonan-doha, nisy tapatapak’ahitra ; izay no fahazahoako azy. Iza no nifandinika taminareo. Tsy niarahantsika nidinika akory izany. Efa tsy nety “demarche” natao. Ianareo ihany no nanao azy tany. Tsy tokony ho sarotra izany raha ny tena marina, ny “loi de finances” ihany dia efa mahavita azy saingy ny olana manana “mauvaise fois” ianareo “éxecutif”. Rehefa hamely anay ianareo, “domaine reglèmentaire” io lazainareo satria manam-pahefana ianareo. Io anaovanareo an’Andriamatoa NIARISY Mara io, fingika fingaka, ambadik’i Sahondra. Zava-doza ho an’ny firenena io ary holavinareo koa ity zavatra ity. Izahay anie na tsy henoinareo aza tsy mampaninona, hafa no nandikanareo ny “dialogue politique” teny Iavoloha. Ny tsy fanajantsika ny “bonne gouvernance”, ny tsy fanajantsika ny “Etat de droit”, izy no ataontsika izao. Teo nolazaina fa halefa ny “loi de finances rectificative”, vola efa laninareo, efa nampiasainareo fa izahay mpanao an’iny mba ho ara-dalàna fotsiny. Izay no tsy ahazahoantsika famatsiam-bola. Maro anie izay nahery teto izay fa mandeha “par tour”. Mahatantesa koa rehefa tonga izay “tour” izay; anjaranareo no mitabataba amin’izay fa izahay mangina.

11

Ity “domaine reglèmentaire” ity no amitahanareo anay. Raha mijery ny “loi de finances initiale 2015” isika, any amin’ny 1% anie no vola natokana ho an’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Isaorana ny Filoha Lefitra REMI dit DJAO Jean nanao an’ity “proposition de loi” ity satria tsy ampy dia tsy ampy izany ary mijaly ny vahoaka. Ny angatahanay, rehefa tonga ny “législative”, ianareo Minisitra rehetra ireo mba hilatsaka any amin’ny Distrika misy anareo. Ny any aminay any efa fantatro ny mpifanandrina amiko, mangataka azy an-tànan-droa mba hilatsaka, hifankahita ao Betioky ao izahay; ho hita eo na izaho tsy omeny vola fa mahavita an’io, iza no ho lany, izy sa izaho. Farany, rehefa nandalo teto ny Praiminisitra, izahay no tsarain’ny vahoaka satria miaina sy miara-mihosihosy aminy. Izahay tsy manao hoe ianareo tsy mahay fa bebe kokoa ny fotoana iarahanay amin’ny vahoaka noho ianareo. Raha mahazo an’iny “2 milliards” iny izahay, na tsy ho vita indray mandeha, telo na roa no farany betsaka, mety hahavita indray mandeha isan-taona izahay mandrapahavitany. Izay no mahatonga milaza hoe ampidiro ao izahay, miara-midinika amin’ny Ben’ny Tanàna, amin’ireo “service déconcentré”-nareo rehetra any amin’ny Distrika, miara-mijery ny laharam-pahamehana. Izay no angatahana na inona “forme” anaovantsika azy na “loi organique” io na lalàna tsotra io na “décret” io na arrété interministériel” io, ampidiro ao izahay. Ny asa vita no ifampitsarana, izay no zava-dehibe fa ity adihevitra “juridisme” be ity tsy ahitam-bokatra. Mitodika amintsika namana Solombavambahoaka handany azy ity fa anjaran’ny HCC no mitsara azy. Manantena ny fiaraha-miasa matotra amintsika, tsy hajanontsika resaka fotsiny fa hataontsika tokoa ary tsy sanatria mpifahavalo isika fa ny andraikitra no samy hafa, ny adidy no itoviana dia ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Nilaza, Andriamatoa NIARISY Mara, rehefa nomena fitenenana fa marina ny tenin’Andriamatoa Minisitra teo, tsy “domaine de la loi” ity fa “domaine reglèmentaire” tamin’ny andron’ny Filoha ZAFY Albert, androany izy havadika ho lalàna. Ny antony, nisy “déséquilibre” ny fampandrosoana an’i Madagasikara, indrindra ny fanavakavahana ataon’ny Goverenamanta tamin’ny fandaniana ny fampiasana ny volam-panjakana. Manao ohatra fotsiny aho: any aminay, rehefa misy lanonana na lanonana fahafatesana, tsy maintsy mahazo anjara hena daholo ny olona tonga eo. Ataoko sahala amin’ny omby vonoina ny “loi de finances”, holanianay izany; io no omby hovonoina, tokony hahazo anjara amin’izay daholo ny Distrika tsirairay rehefa lany ny “loi de finances” satria rehefa tonga any ianareo, miezaka mafy, tsy ny Governemanta amin’izao ihany fa izay nifandimby teto, mambabo ny Solombavambahoaka, hanao mpisolovava anareo. Ho anay atao hoe manohitra, tsy misy na inona na inona ataon’ny fanjakana any aminay; na mitsidika indrindra fa ny fanamboarana hopitaly, lakilasy, lalana. Tsy misy izany hatramin’ny naha Solombavambahoaka ahy. Izay no mahatonga ny Solombavambahoaka hoe omeo vola izahay. Endrika tokony hisehoan’ny fonao madio ny teny teo hoe mankasitraka ny

12

“décentralisation” izahay. Mba samy hanana anjara biriky ny Distrika rehefa lany ity “loi de finances” ity. Ahoana no hamadihana azy ho lalàna raha ohatra tsy eken’ny HCC. Raha atao “decrét” no anaovana azy, mazava ho azy fa tsy tianareo izahay. Ny Solombavambahoaka tsy mahavita zavatra na tsy mahazo tombotsoa ny faritra nahavoafidy azy, lasa voatorabato izy. Izay no mahatonga anay Solombavambahoaka miteny hoe: omeo vola ny Distrika, ka manaova “décret” ianareo raha tsy tia an’ity lalàna ity. Manaova “engagement” ny Governemanta isaky ny misy “loi de finances”. Tsy haiko ny endrika hanaovana an’izay, sarotra ny manova lalàna toy izay manova “décret”. Tsy mety ny “mauvaise fois” anananareo ao amin’ny Governemanta. Ny zavatra vita amin’ity anie ka lasa tombotsoan’ny Distrika fa tsy hataonay am-paosy akory ary tsy izahay akory no hitantana azy fa “programmation” no ataonay. Mandinika hoe ireto no asa hataontsika, manao sonia ny Filohan’ny CLD, miasa ny olona; izay no eken’ny lalàna. Afaka miteny aminareo aho fa tamin’ny andron’Andriamatoa Philbert TSIRANANA ihany no nisy zavatra tao Ankazoabo. Hatramin’ny naha Solombavambahoaka ahy nanomboka ny taona 1993 ka hatramin’ny androany, ny “Tribunal du Première Instance”, ny “Police”, ny “Compagnie Militaire”, ny “Gendarmerie”, ny JIRAMA, ny “Télévision”, tsy nisy zavatra nataon’ny Fanjakana tany na iray aza raha tsy tamin’ny alalan’ny vola “302 Millions”. Izay no naha “quatre mandats” ahy, izaho tsy tovolahy, izaho tsy “milliardaire” na nangalarina aza ny ombiko, mihary indray aho amin’ny manaraka. Tsy ny fananako vola no nahalany ahy fa manao zavatra aho, miaro vahoaka. Noho izany, raha tena manana “bonne fois” ianareo, toroy hevitra izahay. Tena miala tsiny aminao aho, ampio izahay mba hahatongavan’io vola io ary nomena fahefana feno ny Distrika raha ny lalàna laninay tato no jerena, « programmation » no ataonay, izay ihany. Miangavy anao an-tànan-droa, aza ampitahorina HCC izany intsony izahay. Izahay no tompon-draharaha, izahay any no manapakevitra hampandroso ny tanànay. Any aminay izao, maro ny olona matin’ny malaso any, may trano. Raha mangataka zavatra any aminareo, tsy hahazo satria efa fantany fa izaho NIARISY Mara no mangataka. Tsy mety izany. Aza eritreretina hoe manelingelina anareo izahay raha miteny zavatra tsy tianareo, zara aza ianareo tsy manao « tourner » fa ny Solombavambahoaka no miteny, lasa mba mahafantatra ny zava-misy ianareo avy eo. Ampio izahay fa tsy tokony hanakana an’ity ianareo; vao maika aza mety ho tsara toerana ianao ao amin’ny Governemanta. Miangavy anao, ampio izahay amin’ity zavatra atao ity. Hifarimbona isika mba hahatongavan’ity vola ity any amin’ny Distrika. Miangavy ny namana, resaho ny HCC satria fampandrosoana any ifotony no ilaintsika. Io vola io tsy hataonay am-paosy, Andriamatoa Minisitra, araho maso fa mba ahalalan’ny vahoakanay any hoe mijery azy tokoa ary tsy maty antoka izy nifidy an’ireto Solombavambahoaka ireto. Sarotra amin’ny vahoaka anie ny handeha any aminareo hiteny izay manjo azy. Voninahitra ho antsika mianankavy no tadiavina, tsy hisy olona hitabataba intsony eto rehefa vita ny lalana, tafiditra ny rano, misy “sécurité”. Izay no antony itenenanay. Nilaza ny Solombavambahoaka RATSIVALAKA née RAHERIARIVO Marie Michelle fa nalefa teto ny « proposition de loi » mikasika ny tanin’ny « colon » homena ny vahoaka Malagasy fa tsy tafavoaka. Avy eo dia nanao lalàna indray izahay, angamba, Andriamatoa REMI Dit DJAO Jean no nanao an’ilay lalàna amin’ny tanin’ny « colon » iny raha tsy diso aho, avy eo indray

13

izahay nanao lalàna hoe aleo hajanona ny CENIT fa hanao CENI amin’izay isika. Maro ny « proposition de loi » natao fa notsindriana « proposition de loi » avy any amin’ny « Exécutif » kanefa tsy azo atao izany raha ny « Constitution » no arahina. Nanao an’ity indray izahay, nilaza ianao fa mety ny lalàna nataonay saingy mila amboarina ny “forme”. Mangataka an’ireo aorianao ireo mba hanamboatra ny « forme » mba ho lany any amin’ny HCC ity zavatra ity. Tonga saina izahay rehetra hoe maninona no tsy tafavoaka ny zavatra ataonay rehefa tonga any amin’ny HCC. Gaga mihitsy izahay amin’izany toe-javatra izany. Izao izahay mangataka vola mba hiasanay ohatra anareo « Exécutif » satria volam-panjakana no iasanareo. Tsy azonareo izany raha tsy nisy ny « loi de finances » nolanianay teto. Hanao an’ity indray izahay hiasana kanefa matahotra sahady hoe tsy ho tafavoaka. Manarak’izay, raha misy asa ataonareo, tsy fantatray ny fisiany, toy ny tao amin’ny “Air Mad”, ny JIRAMA. Tsy fantatray fa hitanay amin’ny « télévision » renay any amin’ny “radio” kanefa tsy nandalo teto aminay akory. Izany hoe tsy manaja Solombavambahoaka ianareo. Raha nanova « code eléctoral » ianareo, tsy fantatray akory fa ovaina any amin’ny « Conseil des Ministres » fotsiny. Izany hoe, tsy misy ilàna anay sady tsy misy fanajana anay koa. Manahirana be satria ohatran’ny hoe tsy manao na inona na inona mihitsy izahay kanefa avy any aminareo no sakana. Mbola handry andriran’antsy koa izahay amin’ity “proposition de loi” natao ity aorian’izao. Manantena izahay, Andriamatoa Minisitra, fa hampiasainao ny olona miaraka aminao hijery ny “forme” fotsiny. Efa “positif” izay zavatra izay. Manantena izahay fa tsy hitsefotra indray ity rehefa tonga any amin’ny “Exécutif”. Rehefa nandray fitenenana ny Solombavambahoaka RAPHAELIEN Solofoniaina Emilien Narison, nanambara fa mankasitraka ny teny nentin’ireo namana. Mankasitraka ny fanazavan’Andriamatoa Minisitra, satria tsy mitsipaka velively an’izao tolo-dalàna izao izy fa mijery izay hevitra hanatsarana azy mba tsy ho “rejeter” rehefa tonga any amin’ny HCC. Raha ny fahitana ny tolo-dalàna dia ho reharehan’ny Filohampirenena, satria ny zava-bita tamin’ireny CLD ireny tany amin’ny Distrikan’i Mampikony, mbola malaza ankehitriny fa tamin’ny andron’Andriamatoa ZAFY Albert toy ny “bloc administratif”, ny “bazar”, ny “terrain de foot”. Izay no itondrana tolo-kevitra hoe hatsaraina ity ary heverina fa tena avy amin’ny fony marina iny fa tsy hoe navoakan’ny vava ihany. Anamafisana ny tenin’ny namana teo, aleo ny Solombavambahoaka no hitarika ny fitantanana io vola io satria izahay Solombavambahoaka no mahalala hoe izao no fampandrosoana tokony hatao any amin’ny toerana misy anay. Mankasitraka ny tolo-dalàna natolotry ny Filoha Lefitra REMI dit DJAO Jean ity ny tenanay fa ho tantaran’ny Malagasy tokoa raha tanteraka ity zavatra ity. Koa miangavy izahay mba tsy hitsahatra eto ny fanampianao anay, hatrany amin’ny HCC ka mandrapivoakany ho lalàna.

14

Nanambara kosa ny Solombavambahoaka DINAH Romuald fa isaorana, Andriamatoa Minisitra, tamin’ny fankasitrahana ity tolo-dalàna ity saingy misy zavatra amboarina fotsiny. Isaorana koa ny Filoha Lefitra REMI dit DJAO Jean nanolotra azy na dia efa tao anatin’ny eritreritry ny Solombavambahoaka maro hafa izany. Niangavy koa ny teknisiana hanampy ny Solombavambahoaka amin’ny fanatanterahana izany fanamboarana izany. Raha tanteraka ity ny vahoaka mihitsy no hanome 100% ho an’ny fitondrana satria tsy hisy Distrika ho latsaka fa hahitana fotodrafitrasa daholo. Raha mametraka fanamarihana amin’ny fihaonan’ny mambran’ny Governemanta sy ny Solombavambahoaka, ny 95%-n’ny resaka ataon’ny Solombavambahoaka amin’ny Minisitra tsirairay dia fangatahana hatrany. Tsy ny Solombavambahoaka no mamorona izany fa ny vahoaka, mitatitra izany amin’ny Minisitra no ataonay. Avy eo, momba ny Solombavambahoaka, 50%-n’ny karamanay isam-bolana no anasoavana ny vahoaka, tsy miditra any an-tokantrano. Na tiana na tsy tiana, tsy maintsy manao an’izay. Ireto no amoahana azy: tsy ampy ny “salle de classe”, lasa mividy tafo maromaro, manampy amin’ny fanamboarana “barrage”, sns… Noho izany, miangavy anao, Andriamatoa Minisitra, mba hanampy anay mba tsy hidona amin’ny rindrina indray ity zavatra ity. Mikasika ny HCC: olombelona ry zareo, misy zanaka tantsaha ary manana fianakaviana mijaly. Misy fianakaviany mangataka foana; mbola izahay Solombavambahoaka no mamoaka karama, mamaha ny olan’iny olona iny. Olona azo iresahana izy ireo satria hahasoa ny taranatsika sy tombotsoa ho an’ny vahoaka ihany koa. Noho izany, mangataka fanampiana avy aminao, Andriamatoa Minisitra. Ny Solombavambahoaka RAZAFINANDRASANA Raulan kosa nanamarika fa be izay adihevitra izay koa maninona raha mandray fanapahan-kevitra amin’izay. Andriamatoa REMI Dit Jao Jean, raha nomena fitenenana, nilaza fa hamaly ny teny hoe: sao midona amin’ny rindrina. Nisy olona nifidy Filohan’ny Repoblika, voasoratra tao anaty lisitra izy, nifidy tamin’ny Solombavambahoaka mbola tao ihany. Rehefa tonga ny fifidianana “Maire”, tsy tao anaty lisitra izy. Tsy mahamenatra amin’ny tany demokratika ve izany ary ianareo ao amin’ny Minisiteran’ny Atitany no mikarakara izany. Faharoa, momba ny lalàna nolaniana tato, ianao no nitondra azy, ny mambran’ny HCC, natao mambran’ny CENIT, “juge et partie” anie izany. Aiza no toerana hitoriana azy ireo. Hitory any amin’ny HCC, efa anatiny izy, “juge et partie” izany. Raha ny marina, tsy mety aminay Solombavambahoaka izany fa noho ny fiangavianao dia nolanianay ihany iny lalàna iny. Manarak’izay, raha tsy diso aho, Andriamatoa Minisitra, niteny ianao teo hoe: lanio ity lalàna ity, fa izay “Chef de District” tsy tianareo dia hafindra. Tsy hitanay izany “Chef de District” nafindra izany.

15

Nitondra lalàna hamakiana an’ity Antananarivo ity ianao; tsy nety izay zavatra izay. Inona no lalàna mba tsara nentinao teto saingy nekenay ihany izany. Momba ny demokrasia: nilaza ny asan’ny “Chef de Région” sy ny “Préfet”; saika mitovitovy ny asan’ireo olona roa ireo, misafo miaramila saingy tsy misafo miramila indray amin’izao fotoana izao. Demokrasia ve izany zavatra izany? Raha tena hanao “décentralisation”, ny olona mahay ny fijalian’ny vahoaka, mahay ny fampandrosoana, ny Solombavambahoaka no tena mahay an’izany. Mahagaga ny mandre an’izany eto. Hararaotiko eto ny fanaovana samboady: matetika ianao no mampiravaka samboady ho an’ny “Maire”. Tsy ao anaty lalàna anie ny fanaovana samboady ho anareo. Aiza ny “décret”, ny lalàna milaza izany kanefa demokrasia dia ataonao. Manome samboady ianareo, ireo olona saloranareo samboady ireo, ao ny “Maire” avy amin’ny MAPAR, avy amin’ny “Leader Fanilo”; maninona no tsy lazainao ny antoko misy azy ireo fa salorana samboady fotsiny. Hafahafa ihany izany amin’ny resaka demokrasia. Atao ahoana fa rehefa atao dia mety. Momba ny fandehanana teny Iavoloha: nantsoina ny Solombavambahoaka, tamin’ny fametrahana “Maire”. Ianao no “responsable” tamin’izany. Nalahelo aho nahita an’ireo Solombavambahoaka namako; ny Birao Maharitra no natao taorian’ny “Maires Urbaines”. Atao ahoana fa ambany noho ny “Maires” izahay Solombavambahoaka kanefa vao avy nandany ny lalàna momba ny CENI izahay. Rehefa nandeha ny kabarinao, Andriamatoa Minisitra hajaina, noteneninao ny Minisitra, noteneninao ny Filohampirenena fa tsy noteneninao ny olona nandany ny lalàna. Ny Solombavambahoaka anie no nandany ny lalàna saingy tsy notenenina. Tamin’ny fandaniana ny lalàna momba ny CENI iny, tao amin’ny Biraoko tao ny mambran’ny HCC iray nilaza hoe: tsy mety ity zavatra ity sady “juge et partie” ny Minisitry ny Atitany. Nieritreritra aho fa tsy ho lany saingy lany 100% ary tsy ela akory ny fandaniana azy. Ny Solombavambahoaka no natao hitondra azy ity, handeha ny “décentralisation” fa mba teneno ny namanao ao amin’ny HCC mba hahalany azy. Miteny amintsika Solombavambahoaka aho: tsy tombotsoan’Andriamatoa REMI dit DJAO Jean ity, fa ho an’ny Firenentsika. Ny asa hataontsika dia ny fanasoavana an’i Madagasikara malalantsika ary tsy misy olona hosakanana amin’izay. Ho vita ny fampandrosoana satria isika Solombavambahoaka matahotra ny vahoaka. Ny vahoaka no nifidy antsika, hanasoa vahoaka isika, hanao ny zavatra irin’ny vahoaka rehetra. Andriamatoa IJO kosa nanamarika fa holaniana ity tolo-dalàna ity kanefa tokony hamaly ihany, Andriamatoa Minisitry ny Atitany. Ny Solombavambahoaka MAHAZOASY Manajara Freddie Richard kosa nampita hafatra any amin’ny Praiminisitra, firariana fahasalamana ho azy satria raha somary mafampana ny resaka natao tamin’ny “Exécutif”, tsy olona no miady fa ny hevitra. Isika Malagasy koa tsy maintsy mandala hatrany ny fihavanana.

16

Mamerina ny fisaorana tamin’ny nanampianareo ny Solombavambahoaka namanay ABDILAH, efa salama tokoa izy raha ny marina. Faharoa, isaorana amin’ny ezaka natao satria efa hita soritra ny ataon’ny Governemanta amin’izao fotoana izao momba ny vola “200 Millions d’Ariary” isaky ny Distrika. Tsara koa ny ampahafantarana antsika fa ao amin’ny “loi de finances 2016”, efa mipetraka mazava ny “décentralisation” amin’io “loi de finances 2016” io. Isaorana koa fa ny PIP-n’ny Minisitera tsirairay dia hozaraina roa, ny antsasak’izay halefa any amin’ny “Collectivité Territoriale Décentralisée”. Raha ny “réaction”-n’ny Solombavambahoaka teo, ny fandrosoan’ny toerana izay misy azy no tadiaviny satria miandrandra ny tompon’andraikitra rehetra ny vahoaka. Raha mikasika ity “proposition de loi” ity, ny Solombavambahoaka mihitsy no mangataka mba ho izy no mpanapakevitra farany amin’ny fampandrosoana hatao any amin’ny faritra. Na hatao lalàna io, na hatao « texte règlementaire”, rehefa mi-“s’engager” fotsiny ianao, Andriamatoa Minisitra, amin’ny anaran’ny Governemanta fa hampiasain’ny CLD ho fampandrosoana ny faritra misy azy ny vola. Ny Solombavambahoaka RAKOTOMANJATO Rodin Edmond Georges kosa nanamarika fa hanaiky ny tolo-dalàna, Andriamatoa Minisitra. Tsy fantatra, mety hilatsaka ho Filohampirenena ianao indray andro any ary mety handray ny kiho amin’ireo asa nataonao ireo. Gaga izahay raha mitady vola any amin’ny Banky Iraisampirenena hanao “recensement” ianareo. Malailay fonosana ianareo, tsy te-hiara-hiasa aminay fa izahay mianakavy ireto, 151 Distrika raha ohatra tafiditra ity zavatra ity, raha ampanaovinareo “recensement” izahay, vitanay izany. Ho fantatra ny isan’ny vahoaka Malagasy satria betsaka ny asa ho vita amin’ity vola ity. Marary anie, Andriamatoa Minisitra, tsy te-hangataka intsony izahay, tsy te-hilaza ny fijalian’ny vahoaka intsony izahay satria tsy misy mihaino. Ho hitanareo ny vokatra azo amin’io fa tsy misy an’izany hoe handeha hanao sekoly dia hitady atsy sy aroa. Miala tsiny fa tena malahelo indraindray ny tena, ny vahoaka tsy mahalala. Tena tsy fantany hoe iza no Minisitra, aiza ny Filoha, fa ny Solombavambahoaka no fantany, aleo izy no angatahana. Ampio izahay fa hiasanay ho an’ny vahoaka io, hampandrosoana ny tanindrazana. Nanamarika Andriamatoa HELSON Brisson Erafa fa efa nofinofin’ny Solombavambahoaka ny hampisy ny “décentralisation effective” miaraka amin’ny “transfert de compétence”. Ela no niandrasana izay zavatra izay. Manaraka, momba ny Kaominina, misy amin’ireo no tsy misy birao koa isaorana tamin’ny “bonne foi” nasehonao teo izahay. Manarak’izay, hafatra no apetraka: rehefa misy fanankianana ny mambran’ny Governemanta eto, vao maika iny no tsy itiavan’ny Solombavambahoaka iray maneho hevitra.

17

Ombako manana ny fitaomana ny namana rehetra hifidy an’ity “proposition de loi” izay navoakan’ny namana, Filoha Lefitra REMI dit DJAO Jean ity. Andriamatoa LEVAO Nitadiavina kosa nilaza fa noho ny fahasahiranana be loatra ary tsapa fa tsy nisy fampandrosoana mihitsy tao anatin’ny 20 taona tany amin’ny faritra misy azy. Izany hoe mila jerena ny fomba fampandrosoana ny faritra ambanivohitra raha mitaha amin’ny tanàn-dehibe. Tokony handray andraikitra ny fanjakana fa tsy mety io toe-javatra io satria any ambanivohitra no tena mila ity vola ity. Tokony ho ny 60% na 70% no atokana ho fampandrosoana ny any ambanivohitra. Mety misy “procédure” tsy metimety ao kanefa anjaranareo no manatsara azy satria ianareo no tompon’andraikitra manana fahefana amin’izany. Tokony hatao ny fanamboarana azy mba hipetraka ho lalàna hahamora ny manaraka. Niteny ianareo fa tsy ampy hanaovana an’izany ny vola fa atao amboletra hatrany. Tsy marina izany, “décentralisation” no hatao ka ilaina io vola io. Mety hivoatra ny fanjakana ka tsy ampy io vola “400 Millions” io; mety hisy vola hiditra maromaro. Noho izany, tokony hiakatra io vola io. Tokony hosoratana hoe “peut être augmenté par rapport à l’évolution du développement” io ao anaty « article » io. Matoa izahay sahy miteny an’izany, mahatsapa fa tena maharary ny Distrikanay. Izay no mahatonga anay mitalaho aminareo satria io sisa ahafahanay mampivoatra ny faritra misy anay. Andriamatoa ZAFIMAHATRATRA Abel kosa nirary ny hahazoan’Andriamatoa Praiminisitra, fahasalamana feno satria fomban’ny olona no marary. Ialàna tsiny, araka ny filazana hoe: teny diso tsy mba kabary, ny firaisam-po no tokony hiraisantsika. Tsy fombantsika ny miady fa ny mahatsara ny fiarahantsika no atao, Andriamatoa Praiminisitra. Izay no hamitrana ny fihavanantsika samy Solombavambahoaka satria iray isika Andriamatoa Solombavambahoaka; tsy mahatsara antsika ny ampiadian’olona. Manarak’izay, tamin’ny fampandaniana ny lalàna momba ny atitany natao tato, tsy nisy na iray aza tsy nankatoa izany satria ianao no nanolotra azy. Aleo atao ao anaty firaisan-kina tanteraka ity zavatra ity. Tsotra ny antony, ny tsy nampandroso ny faritra nanomboka tamin’ny taona 1971 na 1972, tamin’ny namoahan’Andriamatoa Filoha RAMANANTSOA Gabriel ny “budget provincial” voalohany. Izany hoe, isaky nisy fifidianana, natao ny fangalaram-bato mba hahalany ny olon’ny Filoha, raha lany eo izy, tsipaka ambava-fo no azo. Tamin’ny mbola naha Minisitra an’Andriamatoa Jean RAZAFINDRAVONONA teo, nilaza izahay fa tsy hahatsara ny faritany ity zavatra atao aminay ity satria raha nisy nankatoa ny Filoha Hery RAJAONARIMAMPIANINA tamin’ny faritany tamin’ny “17 Régions”, teto Antananarivo no nitsipaka azy ary nangataka ny “disqualification”-ny, mbola nangataka “motion de déchéance” koa fa izahay tsy nanao an’izany. Amin’izao marary, Andriamatoa Minisitra, ny Solombavambahoaka iray manontolo. Ny zavatra angatahanay aminao, akoholahy miady am-potaka ka samy miaro ny masony tsy ho potsitra. Alaivo eto ny fotaka anaty masonao, izay ataon’ny HCC avelao hamboariny any. Amboary ity, Andriamatoa Minisitra, satria fangatahan’ny Solombavambahoaka iray manontolo. Raha sanatria moa tsipahan’ny HCC, akory atao; efa afaka taminao nanamboatra azy.

18

Misaotra, Andriamatoa Minisitra, tamin’ny tolo-kevitra nomenao teo fa aminay, famitranam-pihavanana ny anay samy Solombavambahoaka. Mangataka ny hamoram-ponao aho amin’ny mahazoky sy zandry. Mangataka anao hampandeha ity lalàna ity. Eo amin’iny resaka “somme” iny no tokony hiadian-kevitra satria mbola hiditra amin’izay isika. Nanambara Ramatoa RAVELOHANITRA Nirina, mikasika ny “ordre protocolaire”. Tsy izaho irery no sendra izany fa misedra olana daholo ny rehetra. Mahagaga fa ny Solombavambahoaka hatrany no mitana ny laharana farany rehefa misy fandraisam-pitenenana amin’ny zavatra atao. Aiza ny fipetraky ny lalàna manoloana izany satria lasa miavaka ny Solombavambahoaka. Ombana manana ny momba ny CLD satria mijaly ny vahoaka. Tsy sanatria vola hiditra any am-paosin’ny Solombavambahoaka izany fa hanatsarana ny Distrika. Andriamatoa NDALANA Espérant indray nanambara fa tsy ny rano ritra no olana fa ny amalona ho azo. Samy manana ny antoko politika niaviany ny Solombavambahoaka kanefa misy zavatra telo saika itoviana hevitra: voalohany amin’izany, ny “stabilité” ho an’ity Andrimpanjakana ity. Faharoa, ny CTD, izay efa re fa any anaty “loi de finances”. Tsy dia mazava hoe aiza marina ny toerana misy anay raha hivoaka io “loi de finances” io. Angatahana ny hanazavana izany mialoha handraisanay fanapahan-kevitra amin’ity “proposition de loi” ity. Fahatelo, momba ny “loi de finances” izay tokony hitondran’ny Minisitra fanazavana. Rehefa izany, nomen’Andriamatoa Filoha, fitenenana Andriamatoa Minisitra, hanomezany fanazavana mikasika izay voalaza teo. Rehefa nandray fitenenana, Andriamatoa MAHAFALY Solonandrasana Olivier, Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana dia nanamarika fa raha misy mambran’ny Governemanta manaja ny Solombavambahoaka, anisany ny tenany. Mendrikaja ianareo; tsy mifampihatsaravelatsihy no itenenana izany fa tena avy any amin’ny fo. Porofon’izany Andriamatoa Mara NIARISY, na mpanohitra aza ianao, fa ianao no nahazo Kaominina be indrindra tamin’ireo namanao ireo. Mikasika ny fametrahana ny “concertation”: ny “loi n°2015-018” no miresaka an’io. Nandalo tato aminareo io lalàna io ; isika no nandany azy. Momba ny zavatra resahana androany ; fantatro ny tena maharary anareo, satria isaky ny miteny dia hoe: leon’ny mangataka izahay. Mangataka izahay kanefa tsy mahazo ka aleo mamorona ity rafitra ity. Tsy hampianatra aho akory fa mba hilaza ny “jeu démocratique”. Ny zavatra fanao, ao ny “loi de finances”, ao no ijerena sy amakiana azy. Ao no ijerena ny lafiny fahasalamana misy any amin’ny Distrika, firy ny Kaominina azo, ahoana ny resaka rano. Izay no iadiana rehefa tonga ny “examen” sy ny “adoption de la loi de finances”.

19

Izay no mahatonga anareo Solombavambahoaka manana “pouvoir d’interpellation” aminay mambran’ny Governemanta. Izay no isian’ny “questions-réponses”. Raha hitanareo fa “inscrit” ao amin’ny “loi de finances” hoe tokony hisy rano fisotro madio any amin’ny « Commune Rurale » misy anareo ka tsy vita, azonareo atao tsara ny mi-“intervenir” any amin’ny Minisitra. Manarak’izay, vonona hanampy izahay ary izay no nahatonga an’ireo teknisiana tsy nisasatra niteny tamintsika hoe: andao itadiavana fomba ara-dalàna hanatsarana ity zavatra entinareo ity. Tsy ho vita androany ny fandrafetana azy ity satria misy “commission” miisa telo tokony hivory indray mandeha handrafitra azy, toy ny “Commission de l’Intérieur”, ny “Commission Juridique” ary ny “Commission des Finances” satria manana “incidence financière” izy ity. Farany, “loi organique” ity holaniana ity. Miala tsiny, fa ny lalàna no milaza fa rehefa handany “loi organique”, tsy maintsy “à la majorité absolue de ses membres”. Asa raha azontsika ny tiako hotenenina. Firy no isantsika amin’izao fotoana izao. Tsy azontsika tsinontsinoavina izay isantsika izay. Tsy “majorité absolue”-n’izay tonga fa “à la majorité absolue de ses membres”. Ampitiavana no niresahana ny zavatra rehetra teo ; raha ohatra nisy nanafintohina antsika, ialàna tsiny. Mieritreritra izahay fa adidinay ny manambara ny tokony hatao. Marina ny teninareo, aiza moa no hitotototoanay rehefa misy lalàna tsy maintsy laniana raha tsy eto aminareo ihany. Mazava loatra satria samy manana ny andraikiny. Tsy hoe ny Minisitra afaka hanamboatra lalàna dia hihazakazaka any amin’ny HCC. Vonona hifanampy izahay, fa izay fotsiny no mba fanamarihana tiana apetraka. Mikasika ny “protocole”: saonjo iray lohasaha, tsy ilaozan’izay mamarara. Misy “erreur protocolaire”; “en présence”-nay mihitsy no misy an’ireny. Voaray iny, Ramatoa Solombavambahoaka. Ny Minisiteran’ny Raharahambahiny no tena tompon’andraikitra amin’iny fandrafetana an’iny “arrêté” iny. Hiresaka amin’ny namako aho mba hanavaozana indray iny “arrêté” farany iny. Taorian’izay, nomena fitenenana, Andriamatoa REMI dit DJAO Jean, noho ny satroka nataony. Andriamatoa REMI dit DJAO Jean kosa nanamarika fa taloha no nanaovana azy ho “loi organique” fa rehefa nivory ny Solombavambahoaka, nanaovana “amendement” izany ka lasa ho “proposition de loi” tsotra. Hita ao amin’ny “version amendée” izay zavatra izay. Nandray fitenenana, Andriamatoa MAHAFALY Solonandrasana Olivier, Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, fa tsy hifamaly sanatrian’izany satria tao anaty “ordre du jour” nolanian’ny Antenimierampirenena izay nandalo “Conférence des Présidents”, “loi organique” no resaka tao. Tany amin’ny “travaux de commission” mbola “loi organique” ihany no nodinihana. Raha avadika « loi simple », tsy maintsy averina ny « procédure ». Ny dikan’izay, mbola hanao « adoption » indray any amin’ny « Conférence des Présidents »,

20

mandeha « séance plenière », fa tsy azo « amender »-na fotsiny amin’izao. Ny « titre principale » mihintsy no manova zavatra. Izany hoe « loi organique » avadika « loi simple ». Namaly, Andriamatoa REMI dit DJAO Jean, fa efa tao amin’ny « commission » no nanaovana izany “amendement” izany. Ny teknisiana tao no namana nanao ny « amendement ». Asam-baomiera no nanao izany fa tsy hoe taty aoriana. Rehefa nandeha ny « commission » tao, tsy mety hoy ny teknisiana avy any aminareo ka aleo avadika ho “loi” izy ity. Tamin’izay no nanaovana io “amendement” io fa tsy zavatra noforonina taty aoriana. Nanamarika, Andriamatoa FILOHA, fa raha atao ny famintinana ny fandraisana fitenenan’ny Solombavambahoaka teo dia misy hevitra roa mivoitra: ny iray, tohizana ny “procédure”-n’ny fifidianana an’ity tolo-dalàna izay nataon’ny Solombavambahoaka REMI dit DJAO Jean ity. Ny faharoa, apetraka “par voie règlementaire” satria izay no manana « chance» bebe kokoa, tsy hisy « rejet » any amin’ny HCC. Izany hoe, ny iray “texte de loi”: mitohy ny “procédure”. Ny faharoa, “texte règlementaire” no ametrahana ny resa-bola. Nomena fitenenana, Andriamatoa LEVAO Nitadiavina ary nanambara fa tsy tokony ohatran’izay no anaovana azy, satria ity “texte” ity no dinihana fa tsy “voie règlementaire”. Ny “voie règlementaire” anie mandeha hatramin’izay foana, efa misy foana io. Rahampitso io mety hofoanana moramora foana ary sarotra ny mi-“amender loi” toy izay ny manafoana “décret” amin’izay lafiny izay. Efa misy foana izany ao amin’ny “loi de finances”, fa ity “loi” ity, sarotsarotra kokoa no amoahana azy raha sendra tafavoaka. Raha tsy tafavoaka moa, tokony handeha io “voie règlementaire” io. Tsy tokony hiadiana hevitra intsony izay ; ity iray ity foana no iadiana hevitra dia vita na ho lany na tsy ho lany ; na ahemotra kely satria mbola misy zavatra amboarina ho tsaratsara, hafa indray izay. Ny adihevitra hoe “voie règlementaire” sy “loi organique” angamba mety tsy tokony hipetraka intsony. Namaly, Andriamatoa FILOHA, fa hotohizana ny “procédure”. Rehefa tsy nisy nanan-kolazaina intsony dia niroso tamin’ny fijerena ny isan’andininy mikasika ny tolo-dalàna ny mpivory. Ahitana andininy miisa 7 ity tolo-dalàna ity. Ny lohatenin’ny tolo-dalàna dia novain’ny Vaomiera hoe “proposition de loi” fa tsy misy lalàna fehizoro intsony. Izay no fanamarihana teo. Tsy nisy nanan-kambara mikasika ny fanovàna naroson’ny vaomiera. Solombavambahoaka maro nanangan-tànana nanaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera, tsy nisy nitsipaka ary miisa 2 no tsy nilaza ny heviny.

21

Famelabelarana ny antonantony: nasian’ny Vaomiera fanovàna ny andalana fahatelo sy fahefatra. Andalana fahatelo : « En effet, le pouvoir central ne peut tout faire. Seuls les élus locaux qui sont conscients de la réalité économique de leurs circonscriptions. La troisième République avait doté auparavant au Comité Local de Développement (CLD) une somme de 302 Millions Fmg ». Ekena ve ny hoe « avait doté auparavant » Andriamatoa JEAN Michel Henri kosa nitondra fanamarihana momba ny « phrase » farany amin’io andalana fahatelo io hoe : « c’était déjà une avancée vers la décentralisation …. » ; misy « incohérence » izany ary tsy voarindra tsara. Nitondra tolo-kevitra manao hoe : “Malheureusement, cette dotation a été suspendue alors qu’elle constituait un pas important vers la décentralisation budgétaire ». Nanaiky izany tolo-kevitra izany ny rehetra taorian’izay. Andriamatoa RAZAFIMATRATRA Abel indray nanamarika fa efa nalefa tany amin’ny Governemanta izy taloha saingy tsy niverina tamin’ny fotoana nilana azy. Nampiany izay voalaza ao anaty “Constitution, article-86, alinéa 4-5” hoe: « Les propositions de loi et amendements déposés par les parlementaires sont portés à la connaissance du Gouvernement qui dispose, pour formuler ses observations, d’un délai de trente jours pour les propositions et de quinze jours pour les amendements. A l’expiration de ce délai, l’Assemblée devant laquelle ont été déposés les propositions ou les amendements procède à l’examen de ceux-ci en vue de leur adoption ». Tsara ny mitady fomba andrafetana ny « exposé des motifs » mba hampidirana izay zavatra mety hahatsara azy mba ho arofanina amin’ny filzana hoe tsy nandalo tato amintsika. Rehefa nandray fitenenana, Andriamatoa FILOHA dia nanamarika, ao amin’ny « exposé des motifs », « 4ème paragraphe » hoe : « par la recommandation de la Constitution et des différentes Loi sur les Collectivités Territoriales Décentralisées, le Comité Local de Développement doit être mis en place et bénéficiant d’un fonds de 400 Million d’Ariary ou de 2 Milliards Fmg afin d’accélerer le développement local et qui fait de Madagascar un pays émergeant économiquement dans les années à venir ». Nandray fitenenana, Andriamatoa LEVAO Nitadiavina, fa tsy misy mieritreritra hanova ity zavatra ity ka tsy tokony ho “fixer”-na tahaka io “valeur” io satria raha miakatra ny harin-karenantsika dia hijanona amin’io ihany ve. Tokony hasiana “minimum” io sora-bola io. Amboarina hoe “bénéficiant au moins d’un fonds d’un 400 Millions d’Ariary. Il peut être augmenté suivant l’augmentation des recettes”. Tahak’izay raha ny fahaizanay azy. Nomena fitenenana, Andriamatoa JEAN Michel Henri taorian’izay ka nanome tolo-kevitra fa tokony atomboka hoe : « afin d’accélerer le développement local qui fera de Madagascar un pays émergeant dans les années à venir, le Comité Local de Développement doit être mis en place et bénéficiant d’un fonds au minimum de 400 Millions d’Ariary ». Izay no tian’ny namana nolazaina teo.

22

Izany hoe : « Afin d’accélerer le développement local qui fera de Madagascar un pays émergeant dans les années à venir, le Comité Local de Développement doit être mis en place et bénéficiant d’un fonds au minimum de 400 Millions d’Ariary ». Andriamatoa MARA Niarisy kosa nanolo-kevitra fa tsy « pays émergeant » no tanjona tratrarintsika ; maninona raha tonga dia atao hoe “pays développé” no soratana eo satria mieritreritra ny ho tsaratsara hatrany isika. Namaly, Andriamatoa FILOHA, fa asiana teny ara-teknika kely satria izany “pays émergeant” izany dia manana PIB « par tête environ 1 000 Dollars” kanefa « 271 Dollars » ihany ny antsika Malagasy androany. Raha ohatra manana izany « 1000 Dollars » izany isika, ampitomboina 3 io tarehimarika io, « le PIB par tête, c’est déjà un objectif honorable ». Azontsika soloina ihany io saingy ny « afin d’accélerer le développement ….» no mety kokoa. Tsy nisy nanan-kambara mikasika ireo fanovàna naroson’ny vaomiera sy ny fivoriambe tamin’ny Solombavambahoaka. Rehefa natao ny tsangan-tànana, Solombavambahoaka maro no nanaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera sy ny fivoriambe, tsy nisy nitsipaka ary 2 no tsy nilaza ny heviny. Andininy voalohany, nasian’ny vaomiera fanovàna ny andalana voalohany sy fahatelo vaovao. « Article premier, alinéa 1 nouveaux : Il est crée un Comité Local de Développement pour chaque District ». « Alinéa 3 nouveaux : Dans le District ou Circonscription où il y a deux Députés la dotation est doublée ». Ny Solombavambahoaka Mara NIARISY no nanan-kambara ary nilaza fa misy zavatra mifanohitra amin’ny « alinéa 2 » ny « alinéa 3 ». Ny Disitrika manana Solombavambahoaka roa indraindray mety tsy hitovy hevitra, tsy manohitra ny hananan’ny Solombavambahoaka vola ambonimboniny saingy tokony hatao “base” io « 2 Milliards » io ary tokony hitady « formule » isika satria mety ho diso amin’ny « Administration » ny filazana izany. Ahoana ny kajy hataontsika amin’ny “dotation”-n’ireo Disitrika manana Kaominina maro na vitsivitsy. Namaly, Andriamatoa FILOHA, fa manokatra varavarava amin’ny adihevitra indray izay satria io sora-bola io no nataon’ny “commission”. Tsy afaka mandroso raha tsy manana “proposition” apetraka eo tokoa ny Solombavambahoaka. Nisokatra indray ny adihevitra teo. Nomena fitenenana, Andriamatoa RAKOTOMALALA Lucien ary nilaza fa izay manana “formule” hanaovana ity zavatra ity tokony alefa avy hatrany dia iarahana mijery sao mandany fotoana ny mbola hijerena izany.

23

Andriamatoa RAJAOZANANY Jean Claude indray nanamarika fa nisy Disitrika nanana Solombavambahoka roa taloha saingy lasa iray ankehitriny, midadasika ny Kaominina. Aiza ho aiza no anaovana an’izay. Andriamatoa RAZAFIMAHATRATRA Abel kosa nanamarika fa tsy hitovy ny “Circonscription” manana Kaominina 49 sy 16. Efa niadian-kevitra tao amin’ny asam-baomiena izany. Tolo-kevitra, raha hitarina izany mba ataovy “au prorata” koa ny “nombre de Communes” raha tiana ny hanova an’io sora-bola io. Nandray fitenenana, Andriamatoa RAZAFITSIANDRAOFA Jean Brunel, nanamarika fa aleo mijery ny marimaritra iraisana mba hampalaky ny raharaha. Manana soso-kevitra ihany koa: maninona ny anjaran’ny Distrika farahidiny eto Madagasikara raha “doubler”-na tahaka ny an’Ikongo, Benenitra, Kandreho, Marolambo, Nosivarika, Antanambao-Manampotsy. Andriamatoa FILOHA kosa nilaza fa raha raisina daholo ireo tolo-kevitra vaovao natao, tsy maintsy « rediger »-na indray izany. Raha tsy vonona anefa izany, azo akisaka ny fotoana handaniana ity tolo-dalàna ity satria amin’izay, tafiditra daholo ny “propositions” rehetra voalaza teo ary amin’ity “session” ity ihany no handaniana azy. Raha hatao ny tsangan-tànana mikasika ny hoe ny an’ny vaomiera no hotanana sa tsia; lasa ho “rejeter” ny “propositions” nataon’ny Solombavambahoaka nangataka ny hanampiana ny vola tokony homena azy. Inona no hataontsika: akisaka kely ny fifidianana ny tolo-dalàna dia amboarina ny “amendement” rehetra sa tonga dia atao ny “vote” na lany ny “proposition” fampitomboana ny “dotation” ho an’ny Distrika sa ahoana. Nanao satroka ny Solombavambahoaka RAJAOZANANY Jean Claude ka nomena fitenenana ary nanamarika gaga amin’ny fomba fiasa. Milaza fa maika isika koa inona no antony anemorana azy indray. Tsy midika izany fa rehefa miady hevitra dia tsy ho vita ny zavatra atao. Mila jerena “cas par cas” satria hiaro ny zon’ny vahoaka any amintsika no andehantsika ato. Rehefa nomena fitenenana, Andriamatoa AROSY Namiandrazana François dia nanambara fa tokony ahemotra ny fandaniana ity tolo-dalàna ity satria mbola hisy fanamboarana maromaro hatao. Namaly kosa, Andriamatoa FILOHA, fa raha tsy akisaka dia vitaina androany ny “rédactions” rehetra. Noho izany, ho an’izay manana “proposition”, tokony hamboarina izany. Nanamafy, Andriamatoa LEVAO Nitadiavina, fa tsy ampy hanaovana fampandrosoana any amin’ny Distrika io vola “400 Millions d’Ariary” io ka tokony hatao avo roa heny izany ho an’ny Distrika hafa. Aleo izay no atao mba tsy hahatonga adihevitra hafa indray. Mazava fa mety hisy hiakatra ambonin’io vola io fa avelao ny “décret d’application” no hamaritra azy. Ity zavatra ity anie tsy ho an’ny Solombavambahoaka fa ho an’ny vahoaka, noho izany tsy tokony hisy anaran’ny Solombavambahoaka ao anatiny.

24

Namaly, Andriamatoa Mara NIARISY, fa tsy mety ny zavatra tahaka izany; na mandany na tsy mandany. Izay no tokony ho fandehany. Ny zavatra tsapa tao amin’ny “commission” dia manao ahoana ny momba ireo Distrika manana Solombavambahoaka 2 indrindra raha tsy mitovy hevitra izy ireo. Lasa hiteraka olana ny fitantanana io vola io. Tombotsoa ho an’ny fampandrosoana no ilana ny vola fa tsy hiadiana tsy akory. Izay no ampidirana hoe ataovy roa heny io vola io ho an’ny Distrika manana Solombavambahoaka 2 satria “deséquilibrée” ny “répartition géographique” ataon’ny fanjakana. Izay no ataontsika fa “base par District” io vola “2 Milliards” io, fa ny Distrika manana Kaominina 40 na 30, mba asio tombony ny azy mba tsy hitovy amin’ny manana Kaominina 10 na 8. Nanamarika, Andriamatoa FILOHA, fa fomba fiasa no lazaina, “aspect purement méthodologique” fa tsy miandany amin’ny atsy na ny aroa. Tokony hisy “formulation” hatao hanovàna azy. Nanambara, Andriamatoa IJO, fa tokony holazaina hoe: ho an’ny Distrika manana Kaominina miisa tahaka izao, atao avo roa heny ny vola omena azy mba tsy hisian’ny tombo sy hala. Nitondra fanazavana, Andriamatoa FILOHA, fa mila jerena tsara ny zavatra atao sao ny Solombavambahoaka ihany no hanapotika ny zavatra tsara efa atao. Anisan’ny “facteur” iray jeren’ny HCC izany. Noho izany, aleo tena zavatra matotra no atao; raha tsy vonona isika azo akisaka amin’ny manaraka ny fandinihana. Andriamatoa RAZAFINANDRASANA Raulan kosa nanambara fa mbola tsy azo ny vola ka ahoana no hiadiana amin’izany. Nahoana tsy izay fomba hahalany ity tolo-dalàna ity no atao. Andriamatoa RABENIRINA Jean Jacques kosa nilaza fa ekena daholo ny soso-kevitra teo saingy izay no ananana “juriste” hanitsy ny zavatra tsy mety ka andao hiditra amin’ny fandaniana isika. Namaly, Andriamatoa FILOHA fa ireo Distrika manana Kaominina maro sy manana Solombavambahoaka 2 no adihevitra aloha amin’izao. Izany hoe tokony hatao avo roa heny ny anjara volany. Ny vola mihitsy anie no tsy mazava eto fa ny “forme” tsy olana; izay no “proposition” nataon’ny vaomiera. Andriamatoa LIAHOSOA Malement kosa nanambara fa mbola manao “débat” amin’ny haneken’ny HCC azy ve isika sa tsia. Tokony hisy “cohérence” izay zavatra izay. Manaiky amin’ny fanomezana avo roa heny izahay kanefa tokony ho fantatsika fa misy “texte” any amin’ny “Intérieur” milaza ny maharoa ny isan’ny Solombavambahoaka ao anaty “circonscription” anankiray. Raha ity “texte” natolotr’Andriamatoa REMI dit DJAO Jean ity dia tokony ho vola amina “milliard” mihitsy no angatahina. Nanamarika, Andriamatoa FILOHA, fa tokony hazava ny “critère” amin’ny fampitomboana ny vola; na ny “nombre de population” no anaovantsika “débat” na ny isan’ny Solombavambahoaka na isan’ny Kaominina. Izay no tokony hironan’ny adihevitra aloha.

25

Politika mihitsy hoy Andriamatoa RANDRIANJANAHARY Soloniaina Olivier no nametrahana ny Kaominina, ny Distrika hananana Solombavambahoaka anankiray na roa. Raha hijery an’izay, ny isan’ny mponina no tokony hijerena azy fa tsy isan’ny Kaominina. Raha ny isan’ny mponina no tenenina, eran’i Madagasikara anie ka nampidinina izany hoy Andriamatoa RAJAOZANANY Jean Claude. Tamin’ny fifidianana Filohampirenena anie ka hafa ny isany, rehefa nifidy Ben’ny Tanàna, hafa koa ny isany. Ny dikan’izay, mety hampanahirana fa aleo ny isan’ny Kaominina no ijerena azy. Nanambara, Andriamatoa RAKOTOMANJATO Rodin Edmond Georges, fa lasa resaka be no iafaran’ny zavatra atao; inona no mahatonga azy hitatra be tahaka izao. Raha toa ka nahazo ny vola “302 Millions” iny, nitsinjaka daholo ny Solombavambahoaka satria raikitra avy hatrany; tsy nisy hoe: any aminay izao sy izao. Adin’ilay tsy mahay ny ahy: izay kaontiny dia vidiny. Raha azo io vola “2 Milliards” io, avelao handeha amin’izay aloha. Izahay tsy hiady amin’io na dia roa no isanay. Aleo io no entina miasa aloha, mamboatra tsikelikely, fa raha ity no hitarina amin’ny manaraka, mety haka roa izahay. Ohatran’ny nahazoana an’iny vola “302 Millions” iny, samy naka ny azy daholo, samy nibitaka, samy niasa. Andriamatoa Mara NIARISY kosa nilaza fa izy no nanao an’iny “question de sentiment” iny, “base” nangatahana io “2 Milliards par District” io fa rehefa tany amin’ny vaomiera, nanana “sentiment” hoe: hatao ahoana izahay manana Solombavambahoaka anankiroa. Raha hiteraka olana, avelao ho “2 Milliards” isaky ny Distrika; raha eken’ny maro moa dia atao avo roa heny izay manana Solombavambahoaka miisa 2. Ombako manana, Andriamatoa Filoha, ny zavatra voalaza farany teo hoy, Andriamatoa RABENIRINA Jean Jacques. Aleo atao mitovy ny vola omena na firy na firy isan’ny Solombavambahoaka; “400 Millions d’Ariary” isaky ny Distrika no mety raha izay no izy. Anjaran’ireo « juriste » no manao ny hanatsarana ny fomba ilazana izay. Raha ohatra roa ny Solombavambahoaka, “doubler”-na ny « dotation », raha « plus de 20 communes » sahala amin’izay, raha mihoatra ny 250 000 no isan’ny mponina na 10 fotsiny no isan’ny Kaominina, “doubler”-na ihany koa ny « dotation ». Raha nomena fitenenana, Andriamatoa ZAFIMAHATRATRA Abel dia nilaza fa raha be noho vitsy izahay eto momba ny fanomezana ny vola “400 Millions d’Ariary” nifanarahana isaky ny Distrika ary tsy jerena ny hamaroan’ny Kaominina any aminay, hangoron’entana izahay fa hiala. Tsy hanangan-tànana izahay satria mafy ny mitantana Kaominina miisa 40 izany. Taorian’izay, nilaza Andriamatoa FILOHA, fa ny hevitra teo, ao amin’ny « alineà 3 » manao hoe : « Dans le District ou Circonscription où il y a deux Députés ou plusde 20 Communes où la population est supérieur ou égale à 250 000 habitants, la dotation est doublée ». Iza no manan-kambara amin’ny fanovàna nataon’ny vaomiera. Raha nomena fitenenana, Andriamatoa RAKOTOMALALA Lucien, nilaza fa hiafara amin’ny savorovoro ity resaka ity. Misy antony matoa nataon’ny fanjakana Solombavambahoaka

26

anankiroa izany. Misy dikany izany ary manaraka ny isan’ny mponina. Tokony hanao fangatahana izy ireo fa avelao amin’io dia ataovy ny tsangan-tànana. Andriamatoa AROSY Namiandrazana François kosa mbola mamerina ny teny nataony hoe: manomboka mafanafana ny mpivory noho ny fitiavana ny Faritra misy azy; raha ny marina, aleo akisaka ny fandaniana ny tolo-dalàna, mifandinika tsara isika aloha. Nanambara, Andriamatoa HELSON Brisson Erafa, fa eto no sehatra farany hanapahana hevitra mikasika ity raharaha ity. Nisy hevitra roa teo, izay no tokony hananganana tànana: iza no mandany ny zavatra notapahan’ny vaomiera; iza no manaiky ny soso-kevitra farany teo. Izay no tokony handraisana fanapahan-kevitra fa raha miteny daholo, samy te-hanamarina ny tenany ny rehetra. Nilaza, Andriamatoa FILOHA fa efa niroso tamin’ny tsangan-tànana teo saingy nomena fitenenana ny Solombavambahoaka mba tsy hifanome tsiny. Averiko indray mandeha, ny “alinéa 3 nouveau” no mampisy olana teo : « Dans le District ou Circonscription où il y a deux Députés ou plus de 20 Communes où la population est supérieure ou égale à 250 000 habitants, la dotation est doublée ». Ny an’ny Vaomiera kosa manao hoe : « Dans le District ou Circonscription où il y a deux Députés, la dotation est doublée ». Nanao satroka ny Solombavambahoaka RABENIRINA Jean Jacques ka nomena fitenenana ary nanambara fa tsy fanitsiana no nataon’ny vaomiera. Namaly, Andriamatoa FILOHA, fomba fiteny fotsiny izay fa tsy fanitsiana. Nilaza ny vaomiera fa: « Dans le District ou Circonscription où il y a deux Députés, la dotation est doublée ». Teto amin’ny « séance plénière » kosa nilaza fa : « Dans le District ou Circonscrption où il y a deux Députés ou plus de 20 Communes où population est supérieure ou égale à 250 000 habitants, la dotation est doublée ». Rehefa natao ny tsangan-tànana, Solombavambahoaka miisa 13 no nandany ny tapaky ny vaomiera. Solombavambahoaka maro no nanangan-tànana tamin’ny fanapahan-kevitry ny fivoriambe na ny “séance plénière”, 4 no tsy nilaza ny heviny. Nambaran’Andriamatoa FILOHA fa lany ny fanapahan-kevitra noraisin’ny “séance plénière”. Andininy faharoa, nasian’ny vaomiera fanovàna toy izao. « Article 2 : Le programme de développement local est conjointement élaboré par le Député, le Chef District, le Maire, les Président des Conseillers municipaux et des

27

réprésentants du Service Territoriaux Déconcentrés (STD) (suivant les normes exigées par l’hurbanisme et le plan d’aménagement du territoire) ». Tsy nisy nanan-kambara mikasika fanovàna nataon’ny vaomiera. Rehefa natao ny tsangan-tànana, Solombavambahoaka maro no nanaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera, tsy nisy nitsipaka, 2 no tsy nilaza ny heviny. Nambaran’Andriamatoa FILOHA, fa lany andininy faharoa. Andininy faha-3, nasian’ny vaomiera fanovàna toy izao. “Article-3 : Le Député préside la réunion du Comité Local de Développement. Il dirige, ordonne et veille à son exécution ». Nanan-kambara ny Solombavambahoaka Mara NIARISY momba io fanovàna naroson’ny vaomiera io ka nomena azy ny fitenenana. Ny Solombavambahoaka no mi-“présider”-n’ny “Comité Local de Développement” fa tsy « réunion ». Izany hoe izy no mitarika ny CLD fa tsy fivoriana no tarihany. Namaly, Andriamatoa FILOHA, fa tokony hamboarina kely ny « rédaction » momba izay. Rehefa natao ny tsangan-tànana, Solombavambahoaka maro no nanaiky ny fanapahan-kevitra naroson’ny vaomiera, tsy nisy nitsipaka, iray no tsy nilaza ny heviny. Nambaran’Andriamatoa FILOHA, fa lany ny andininy fahatelo. Andininy faha-4, andalana faharoa, nasian’ny vaomiera fanovàna toy izao. « Article 4 : Le représentant de l’Etat est l’ordonnateur sécondaire. En tant que tel il contrôle la légalité de d’acte pris par le Comité Local de Développement ». Tsy nisy nanan-kambara mikasika io fanovàna naroson’ny vaomiera io. Rehefa natao ny tsangan-tànana, Solombavambahoaka maro no nanaiky ny fanapahan-kevitra naroson’ny vaomiera, tsy nisy nitsipaka, iray no tsy nilaza ny heviny. Nambaran’Andriamatoa FILOHA, fa lany andininy fahefatra. Andininy fahadimy, nasian’ny vaomiera fanovàna toy izao. “Article 5 : Les dons et les matériels importés aux noms du Comité Local de Développement bénéficieront de franchise douanière ou de l’exonération et de taxe ». Tsy nisy nanankan-kambara mikasika ny fanovàna naroson’ny vaomiera. Rehefa natao ny tsangan-tànana, Solombavambahoaka maro no nanaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera, tsy nisy nitsipaka, iray no tsy nilaza ny heviny.

28

Nambaran’Andriamatoa FILOHA, fa lany andininy fahadimy. Andininy fahaenina, tsy nasiam-panovàna. Rehefa natao ny tsangan-tànana Solombavavambahoaka maro no nanaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera, tsy nisy nitsipaka, iray no tsy nilaza ny heviny. Nambaran’Andriamatoa FILOHA, fa lany andininy fahaenina. Andininy fahafito, tsy nasiam-panovàna. Rehefa natao ny tsangan-tànana Solombavavambahoaka maro no nanaiky ny fanapahan-kevitry ny vaomiera, tsy nisy nitsipaka, iray no tsy nilaza ny heviny. Nambaran’Andriamatoa FILOHA, fa lany andininy fahafito. Taorian’izay, niroso tamin’ny fandraisana fanapahan-kevitra ankapobeny mikasika ny tolo-dalàna laharana faha-11-2014/PL momba ny tahirim-bola ifotony ho an’ny fampandrosoana ny Vondrom-bahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana Fototra, natolotry ny Filoha Lefitry ny Antenimierampirenena, Andriamatoa REMI dit DJAO Jean ny mpivory. Ny andininy faha-86 ao amin’ny Fitsipika Anaty mifehy ny Antenimierampirenena hatrany no nampiharina tamin’izao fandaniana izao. Rehefa natao ny tsangan-tànana Solombavambahoaka maro no nandany ny tolo-dalàna, tsy nisy nitsipaka, iray no tsy nilaza ny heviny. Nambaran’Andriamatoa FILOHA, fa lany ny tolo-dalàna laharana faha-11-2014/PL momba ny tahirim-bola ifotony ho an’ny fampandrosoana ny Vondrom-bahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana Fototra, natolotry ny Filoha Lefitry ny Antenimierampirenena, Andriamatoa REMI dit DJAO Jean. Rehefa izany, nomena fitenenana, Andriamatoa Filoha Lefitry ny Antenimierampirenena. Fisaorana ny Solombavambahoaka rehetra nifidy ny tolo-dalàna no voalohan-tenin’Andriamatoa REMI dit DJAO Jean. Nisaotra ny teknisiana sy ny mambran’ny Governemanta ihany niaritra hatramin’ny farany nandritra ny fifanakalozan-kevitra izy. Nanamarika koa fa tokony hankatoavin’ny HCC ity tolo-dalàna ity satria rafitra hitondra amin’ny tena « décentralisation » marina. Manarak’izay, nampahery ny Solombavambahoaka amin’ny fandinihana ny “loi de finances” satria tombotsoa ho an’ny rehetra no katsahina mba ho entina hanasoavana ny firenena sy ny vahoaka.