56
Brouillon / ZOKY ANDRY « Manorina ambony vatolampy » Pejy faha 1 / 56 BOKY VOALOHANY TAONA FAHAROA FIKAMBANANA APOKALYPSY ETO MADAGASIKARA SEKOLY SABATA TANORA MANORINA AMBONY VATOLAMPY BROUILLON

SEKOLY SABATA TANORA - tomima.o.t.f.unblog.frtomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-manorina... · Ny amin’i Jesosy Kristy marina, ny sabata, ny Fitafiana Kristiana, ny fiteny

  • Upload
    others

  • View
    7

  • Download
    1

Embed Size (px)

Citation preview

Page 1: SEKOLY SABATA TANORA - tomima.o.t.f.unblog.frtomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-manorina... · Ny amin’i Jesosy Kristy marina, ny sabata, ny Fitafiana Kristiana, ny fiteny

Brouillon / ZOKY ANDRY « Manorina ambony vatolampy » Pejy faha 1 / 56

BOKY VOALOHANY

TAONA FAHAROA

F I K A M B A N A N A A P O K A L Y P S Y E T O M A D A G A S I K A R A

SEKOLY SABATA TANORA

MANORINA AMBONY

VATOLAMPY

BROUILLON

Page 2: SEKOLY SABATA TANORA - tomima.o.t.f.unblog.frtomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-manorina... · Ny amin’i Jesosy Kristy marina, ny sabata, ny Fitafiana Kristiana, ny fiteny

Brouillon / ZOKY ANDRY « Manorina ambony vatolampy » Pejy faha 2 / 56

« …Koa amin’izany na zovy na zovy no mandre izany teniko izany ka mankato azy dia hoharina amin’ny lehilahy manan-

tsaina izy, izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny vatolampy… » (Mat 7 :24),

« …Ary Kristy izany vatolampy izany …» (1 Kor 10 :4)

Ity andian-desona ity dia natao hamaly ireo fanotaniana vitsivitsy izay

napetraky ny tanora mahakasika ny:

Ny amin’i Jesosy Kristy marina, ny sabata, ny Fitafiana Kristiana, ny fiteny , ny

filàna sy ny fahotana, ny fisainana Kristiana, ny lalàna sy ny fahasoavana, ny

resaka fanalan-jaza, ny resaka tevika sy tombo-kavatsa. Ny toaka sy ny zava-

mahadomelina …

Boky voalohany hoan’ny tanora mandia ny taona faharoa izy ity. Ary tsy miova

ny firafiny fa mbola fanehoan-kevitra tsotra sy natao ho mora azon’ny tanora

hatrany.

Ny tanjona:

Ny tanjona dia ny hampiorenana ireo tanora, ny amin’ny fahafantarana an’i

Jesosy Kristy, Ny fandalinana ny foto-pampianarana iorenantsika ary

fahafantarana ireo olana sy fakam-panahy izay manimba ny « fiainam-panahy »

sy ny etika maha Kristiana.

Raha misy fanotaniana na fanamarihana dia aza misalasala mifandray amin’ny

EKIPA TEKNIKA S.S.T.

Hoan’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.

TAONA FAHAROA

Boky voalohany

SEKOLY SABATA TANORA

FIKAMBANANA

APOKALYPSY ETO

MADAGASIKARA

Page 3: SEKOLY SABATA TANORA - tomima.o.t.f.unblog.frtomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-manorina... · Ny amin’i Jesosy Kristy marina, ny sabata, ny Fitafiana Kristiana, ny fiteny

Brouillon / ZOKY ANDRY « Manorina ambony vatolampy » Pejy faha 3 / 56

Page 4: SEKOLY SABATA TANORA - tomima.o.t.f.unblog.frtomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-manorina... · Ny amin’i Jesosy Kristy marina, ny sabata, ny Fitafiana Kristiana, ny fiteny

Brouillon / ZOKY ANDRY « Manorina ambony vatolampy » Pejy faha 4 / 56

Lesona voalohany

FANTATRO IZAY INOAKO IZA MOA JESOSY ?

Jesosy no fototry ny zavatra rehetra, na toriteny izany na fampianarana, koa ety amboalohany dia hanomboka ny zavatra rehetra sy hanorina ny zavatra rehetra amin’ny anaran’I Jesosy isika.

Mandritra ity lesona ity ary dia handrafitra ny filazalazana na « C.V » (Curiculum Vitae) momba an’i Jesosy isika, ny tanjona mandritra ity lesona ity dia ny ahafahantsika tanora mahazo an-tsaina sy mikaroka ny manodidina ny amin’i Jesosy Kristy, hoe iza marina moa Izy, manahoana ny fiainany ? Manahoana ny heriny sy ny voninahiny, sns

Fanamarihana: (tsara raha mampiasa solaitrabe isika mandritra ny lesona, ary vakiana na karohana ireo toko sy andininy milaza an’i J.K (tsy voafetra hoe izay voalazan’ny lesona ihany dia ampy, fa afaka manampy isika mandritra ny fianarana.

A. ANARANA – FIRAZANANA – ADIRESY

Anarany : Jesosy (avy @ dikan-teny Anglisy) na Jesoa (avy @ dikan-teny

Frantsay) na yeshua (@ teny hebreo) (midika hoe: Jehovah no mpamonjy)

Adiresy : Nazareta Anaran’ny Rainy: Jehovah (JHWH) , Yhaveh, Ilay nisy hatrizay ary ho

mandrakizay) (ilay taloha sy ankehitriny ary ny hoavy) Ny tsitoha,

Toetra nampiavaka Azy: “manetry tena” (Fil 2:5-9) Taranak’I Abrahama, Jiosy (taranak’i Jakoba), taranak’i Davida Ray nitaiza: Josefa Reny niteraka: Maria Toerana nahaterahany: Betlehema (Faritany Jodia) Daty nahaterahany: (tsy fantatra) Vita famorana: tamin’ny feno valo andro Faharetan’ny andro niainany : 33 taona sy tapany B. NY FIANARANA –TRAIK’EFA – DIPLAOMA –ANARAM-BONINAHITRA 1. NY FIANARANA NATAONY SY NY NANAMARIKA NY HATANORANY:

• Nanampy an’I Josefa rainy izay mpandrafitra • Tsy nody (tsy hita andro paska) fa nijanona tao amin’ny tempoly

(fony izy feno 13 taona) Vita batisa : Jaona mpanao batisa no nanao batisa azy Ny mpianany: Ny apostoly 12

Page 5: SEKOLY SABATA TANORA - tomima.o.t.f.unblog.frtomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-manorina... · Ny amin’i Jesosy Kristy marina, ny sabata, ny Fitafiana Kristiana, ny fiteny

Brouillon / ZOKY ANDRY « Manorina ambony vatolampy » Pejy faha 5 / 56

2. NY ZAVA-BITA SY DIPLAOMA 1. Maty nifantsika teo ambony hazo fijaliana 2. Nitsangana tamin’ny maty 3. Nifady hanina 40 andro sy alina. 4. Nampianatra ny Jiosy (fanoharana marobe). 5. Manova ny rano ho divay (fapakaram-bady). 6. Manasitrana aretina maro (malemy, boka, marary mitsika (hemoragie),

marenina, moana, bory sofina sns). 7. Mamonjy ny tra-doza (rivo-doza). 8. Mibaiko ny rivotra sy ny ranomasina. 9. Nandeha teny ambony rano. 10. Nampisy vola tao ambavan’ny trondro. 11. Mampitombo ny sakafo kely ho mamana amby (mofo dimy sy

hazandrano roa) 12. Manambina amin’ny fitadiavana (mpanarato nasaina nandrotsaka

harato) 13. Manala sy nandroaka devoly 14. Mampitsangana ny maty 15. Manolotra ny ainy ho famonjena ny hafa. 16. Nampitsahatra ny fanatitra alatsa-drà tamin’ny atsasaky ny herinandro. 17. sns

3. ANARAM-BONINAHITRA

1. Mahagaga Isa 9:5 2. Mpanolo-tsaina mahagaga Isa 9:5 3. Andriamanitra mahery Isa 9:5 4. Rain’ny mandrakizay Isa 9:5 5. Andrian’ny fiadanana Isa 9:5 6. Lahy matoa amin’ny maty Apo 1:5 7. Lehiben’ny mpanjaka amin’ny tany Apo 1:5 8. Vavolombelona marina Apo 1:5 9. Andriana finaritra sady tokana Tim 6: 10 10. Tompon’ny tompo Tim 6: 10 11. Mpanjakan’ny mpanjaka Tim 6: 10 12. Ny tenin’Andriamanitra: Apo 19:13 13. Ilay teny tonga nofo Jao 1:14 14. Tompon’ny Sabata Mat 12 :8 15. Kristy, Zanak’Andriamanitra velona Mat 16 :16 16. Lalana sy fahamarinana ary fiainana Jao 14:6 17. Mpiandry tsara Jao 10:11 18. Vavahady Jao 10:9 19. Mofon’aina Jao 6:48 20. Fahazavan’izao tontolo izao Jao 8:12 21. Fananganana ny maty Jao 11:25 22. Ilay tena voaloboka Jao 15:01 23. Voalohany sy farany Apo 1:17 24. Solofo sy taranak’I Davida Apo 22:16 25. Kitana fitarikandro Apo 22:16

Page 6: SEKOLY SABATA TANORA - tomima.o.t.f.unblog.frtomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-manorina... · Ny amin’i Jesosy Kristy marina, ny sabata, ny Fitafiana Kristiana, ny fiteny

Brouillon / ZOKY ANDRY « Manorina ambony vatolampy » Pejy faha 6 / 56

26. Liona avy amin’ny firenen’I Joda Apo 5:5 27. sns

Tsoa-kevitra: Hatreto raha manaraka tsara isika dia ahatsapa fa tena “mahagaga sy mahery” tokoa ilay Jesosy Tompointsika, azontsika tanora atao ny mahatsiaro na ny iray amin’ireo “zava-bita” na “anaram-bonihitra” entin’I Jesosy ireo fotsiny aza isaky ny manana olana, na sedra kivy isika. Anakiray monja amin’ireo “filazàna an’I Jesosy ireo dia efa hanampy be dia be antsika amin’ny fiainantsika. Maika moa raha izy rehetra ireo no fantarintsika sy inoantsika?

C. NY FAMINANIANA MIKASIKA AN’I JESOSY Efa voalazan’ny faminaniana avokoa ny momba an’i Jesosy sy ny zavatra hataony sy handalovany rehetra. Eto indray dia hikaroka sy hanadihady ireo faminaniana marobe mahakasika an’I Kristy isika, mba ahafantarantsika hoe “Jesosy” tokoa ve no “Kristy” izany hoe ilay “voahosotra” ho mpanavotra ny zanak’israely (sy izao tontolo izao), Niandry ela ny zanak’Israely: (Vakio Isa 9:5)

Efa hatry ny ela no fantatry ny ZI ny faminaniana fa ho avy izany “Mesia” izany na koa hoe “Ilay voahosotra” midika hoe “Kristy” izay hanavotra azireo izany (Ny faminanian’I Isaia no tena fantatry ny rehetra tamin’izany), maro anefa ireo olona izay noheverin’izireo fa “ilay mesia” kinanjo tsy izy, fa saiky maty sy nigadra avokoa ireny noheverina fa mesia ireny, maro koa ny “Mesia” sandoka ka ireto faminaniana sy famantarana marobe ireto dia manampy ny Kristiana tokoa mba ahalala hoe “iza no inoako, iza marina moa ilay hoe “Kristy?”

1. IREO FAMINANIANA SY FAMANTARANA:

Ireto tanisaina amintsika manaraka ireto kosa ary ny ankamaroan’ireo “faminaniana” sy “famantarana” mikasika ilay Kristy (Voahosotra) hamonjy izao tontolo izao:

1. Zazalahy (Isa 9 :5), taranak’i Davida 2. Hateraky ny vehivavy mbola virijina (Isaia 7: 14) 3. Ho Teraka ao Betlehema (Mika 5: 1) 4. Hialohavan’ny « Elia ilay mpanamboatra na mpanomana ny lalana na I

Jaona mpanao batisa» (Mal 3: 1) 5. Hitaingina zana-boriky (Zakaria 9: 9) 6. Ivadihan’ny sakaiza mpiara-mihinana taminy (Sal 41: 9) 7. Hampijaliana sy nokapohina ary nolefonina (Isa 53: 3-5) –(Zak 12: 10) 8. Izy no zanak’ondry hovonoina (Isa 53: 7) 9. Hahatona tamin’ny hazo (Nom 21: 9) 10. Hilokana ny fitafiany (Sal 22: 18) 11. Hovonoina tamin’ny antsasaky ny herin’andro (Dan 9: 27) 12. Maty mialohan’ny hidirana amin’ny andro paska (Eks 12-11)

Page 7: SEKOLY SABATA TANORA - tomima.o.t.f.unblog.frtomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-manorina... · Ny amin’i Jesosy Kristy marina, ny sabata, ny Fitafiana Kristiana, ny fiteny

Brouillon / ZOKY ANDRY « Manorina ambony vatolampy » Pejy faha 7 / 56

13. Tsy notapahana ny taolany (Eks 12: 46) 14. Hitoetra telo andro sy telo alina anatin’ny tany (Mat 10: 40) 15. Tsy tratry ny lo (Salamo 16:10) 16. Mitoetra eo akavanan’ Andriamanitra (Sal 110: 1) Sns sns Ireo rehetra ireo sy izay hafa mbola tsy notanisaina na koa mbola tsy hitan’ny mpandinika dia voalaza mialoha (araka ny Soratra Masina) avokoa.

2. NY ANDRO NAHAFATESAN’NY JESOA KRISTY MARINA:

Fanamarihana: Ity lesona ity dia ho hitanao ihany koa ao amin’ny Boky “Ny

fanoharana nataon’I Jesosy tome I-II

Paska Jiosy Sabata Lehibe Jaona 19 :31

Rehefa afaka ny andro sabata (Paska) dia nividy zava-manitra Mar 16 :1 Nividy sy nanamboatra menaka manitra, ny zoma ,ary nitsahatra ny ampitso sabata Lio 23 :56

Andro fiomanana Jao 19 :14 Jao 19 :31

Nitsahatra fa sabata Lio 23 :56

Efa nitsangana ny Tompo

Lio 24 :5-6

Latabatry ny Tompo Mofo sy Divay “Nihinana ny paska dieny tsy nijaly” Lio 22:15

Ora Nitsanganana Feno ny telo andro sy telo alina Mat 10:40

Nakodian’ny anjely ny vato

Lio 24:2 Mat 28:1-6

Nosamborina, tao getsemané Mat 26:36

Nalevina

Alina Alina Alina Andro Alina Andro Alina Andro Alina

Talata Alarobia Alakamisy Zoma Sabotsy alahady

Page 8: SEKOLY SABATA TANORA - tomima.o.t.f.unblog.frtomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-manorina... · Ny amin’i Jesosy Kristy marina, ny sabata, ny Fitafiana Kristiana, ny fiteny

Brouillon / ZOKY ANDRY « Manorina ambony vatolampy » Pejy faha 8 / 56

Lesona faha 02 NY SABATA – ILAY TOMBOKASE FAMANTARANA

Tsy vaovao amintsika raha ny resaka momba ny Sabata, satria anisan’ny zavatra anakiray mampiavaka antsika amin’ny fiangonana maro ny fitandremantsika ny andro Sabata, mandritra ity lesona ity dia hiverina hiresaka mikasika ny manodidina ny Sabata isika, inona marina moa izany hoe Sabata ? Fa nahoana o misy hoe sabata izany ? Ahoana no fitandrina azy ? Ahoana fahiny, ahoana ankehitriny, ary ny hoavy ? Mbola misy ve sns… Ny fitsaharana (Nehemia 9 :14)

Tsy fomban’olombelona (na noforonin’olombelona) ny mitsahatra fa fomban’Andriamanitra, ny Sabata dia midika amin’ny teny malalaka hoe « andro Fitsaharana », Nohon’ny fitiavan’Andriamanitra antsika no antony nampahafantarany antsika ny « fitsaharana » na ny « Sabata »

Ny andro Sabata :

Ao amin’ny Didy folo no ahafantaran’ny rehetra ny didy izay mandidy ny fitandremana ny andro Sabata. Didy faha efatra izy ao amin’ny didy folo.

Andro inona moa izany hoe andro Sabata ?

Fito andro no isan’ny andro amin’ny herinandro, alahady no andro voalohany amin’ny herinandro, ary Andro faha fito kosa ny andro Sabata na « andro sabotsy » hoy isika Malagasy, Gen 2 :3 – Eks 16 :26. Io teny Sabotsy io koa dia mbola niainga avy amin’ny foto-teny hebreo vakiana hoe « Shabat » (verifieo kely ity)

Natao inona moa ny andro Sabata ?

Andro fitsaharana (jours de repos) ny andro Sabata, hitsaharana amin’ireo hetsika (activité) fanao andavan’andro.

Iza no nitsahatra voalohany tamin’ny andro fahafito sa Sabata ?

Jehovah mpahary no mpitsahatra amin’ny andro fahafito, ary nanao izany mihintsy Izy nandritra ny namoronany izao tontolo izao, (Maneho fitokanana ny zava-bita na miendrika tsangambaton’ny famoronana mihintsy ny andro fahafito raha mandinika ny Eks 20 :11 isika, tahaka ny hoe andro fanamarihana ny asa vita izy) Ny fomba hoe “mitsahatra” dia nampahafantariny antsika olombelona taty aoriana, nohon’ny fitiavany antsika.

Sabata andron’ny fahafahana ! Deot 5 :15

Ny fitandremana ny Sabata ihany koa dia nomen’Andriamanitra ny Zanak’Israely ho fanamarihany ny « fahafahany » satria fony izy tany Ejipta dia tsy misy « fitsaharana » izany fa miasa « andro aman’alina » sy fito andro tsy ankiato (miasa mandrapahafatiny). ho fanamarihana fa « afaka » izy dia asain’i jehovah mitsahatra isaky ny andro faha fito, marika ilazàna izany fa tsy andevo intsony izireo fa olona « afaka »

Page 9: SEKOLY SABATA TANORA - tomima.o.t.f.unblog.frtomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-manorina... · Ny amin’i Jesosy Kristy marina, ny sabata, ny Fitafiana Kristiana, ny fiteny

Brouillon / ZOKY ANDRY « Manorina ambony vatolampy » Pejy faha 9 / 56

Hoan’iza moa ny Sabata ? Eks 15 :29 sy Eks 20 :10) Nomena hoantsika olombelona ny Sabata, nomena mba hialàna sasatra, hiatoana kely amin’ny raharaha fanao andavanandro, ahafahana mifanerasera sy manamafy orina ny fiainan’ny ankohonana.( Tsy manao raharaha ny rehetra, tsy misy mandeha an-tany lavitra sns na ny mpiasa na ny vahiny miditra ny trano fa mitsahatra avokoa, « repos » ny iray trano, ny iray tanana, ny firenena iray manotolo, mitsahatra avokoa !) Fahiny aza dia misy « halavirana » nofaritana mihintsy hoe tsy azo ihoarana rehefa Sabata, io halavirana io dia napetraky ny « mpitondra fivavahana » tamin’izany, ary nataony mitovy refy amin’ny lalana mandroso sy miverina manodidina ny tempoly na ny synagoga. Nahoana no lazaina fa ota ny fandikana Sabata ? Satria isan’ny didy nataon’Andriamanitra tahaka ny didy sivy namany izy, ary « ota » ny fandikana lalàna, Indraindray dia alaim-panahy ny olona hievitra fa « tsy misy lanjany firy ny fandikana ny « Sabata » raha oharina amin’ny « mandainga sy mamono olona sns » kanefa ny fandikàna ny Sabata dia midika fanaovana tsinontsinona an’Andriamanitra sy tsy finoana Azy ihany koa. Raha mitsahatra avokoa ny zavatra fanao andavanandro, inona kosa no azo atao mandritra ny andro Sabata ?

Fivoriana masina (sorona masina), Fiankohofana, fanaterana fanatitra sns : Lev 23:3

Taty aoriana dia natao andro hanompoana (hivavahana) amin’i Jehovah ny andro Sabata, natao hanaovana fivoriam-pivavahana izy, ary afaka nifantoka tanteraka tamin’i Jehovah ny fon’ny Zanak’Israely satria tsy misy n’inon’inona alehan’ny sainy hafa tsy ny fanompoana an’i Jehovah rehefa andro Sabata. Inona avy moa raha jerena tsotsotra ireo “raharaha” hajanona (hitsaharana) amin’ny andro Sabata?:

o Ny mividy na mivarotra zavatra (Neh 10:32) o Ny mitondra entana mavesatra o Ny manao raharaha (activité) Neh 13:14-21 o Tsy mandrehitra afo (misy milaza fa ny afo lehibe fanao eo ampovoan-tanana amin’ny alina izany, misy kosa ny milaza fa tena ilay mandrehitra afo handrahoana sakafo mihintsy io…)

Misy kosa ireo sokajin’olona afaka niasa mandritra ny Sabata: Tsy ny olona rehetra anefa no natao hitsahatra amin’ny andro Sabata, fa misy ireo sokajin’olona vitsivitsy izay tsy maintsy manao ny andraikiny toy ny:

• Ny mpisorona sy ny Levita (mazava hoazy): • Ny mpitandro filaminana nahazo tendrin’asa (tour de garde) II

Mpan 11:5-9 sy Neh 13 :19 Tsy ny zanak’Israely ihany, fa ny vahoakan’Andriamanitra rehetra ? Eks 31:16 - Neh 56: 2-7 Efa voalaza teo aloha fa notandreman’ny Zanak’Israely ny Sabata, kanefa tsy nomena ho azireo ihany izany fa hoan’ny zanak’olombelona rehetra mihintsy (na jiosy na tsia) mba azahoan’ny rehetra ny tombotsoa azo avy aminy.

Page 10: SEKOLY SABATA TANORA - tomima.o.t.f.unblog.frtomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-manorina... · Ny amin’i Jesosy Kristy marina, ny sabata, ny Fitafiana Kristiana, ny fiteny

Brouillon / ZOKY ANDRY « Manorina ambony vatolampy » Pejy faha 10 / 56

Tsy ara-nofo na ara-batana toa izany ihany anefa no anamarihana ny andro Sabata fa amin’ny fomba fiainana mihintsy, toy ny:

• Tsy mandehandeha amin’izay tiana haleha (tsy hoe izay rehetra tiana haleha ,fa matetika dia zavatra ratsy mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra foana no tian’ny olona haleha, ary ireny zavatra “ratsy” nefa tiana hatao ireny no ambaran’ny soratra masina eto , fa tsy hoe izay “tiana haleha fotsiny” akory.

• Tsy manao izay sitra-po tiana hatao (mbola mitovy amin’ilay hoe izay tiana haleha ihany no hevitr’io, satria matetika ny sitrapontsika dia mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra.

• Tsy miteniteny foana sns sns (vakio ny Jer 17: 21-22) Ka raha natao ho andro fitsaharana sy ivavahana fotsiny ny Sabata, inona moa no olana raha mifidy andro “hitsaharana” hafa isaky ny herinandro fotsiny (na alahady na talata)? Raha amin’ny lafiny maha “fitsaharana ara-batana” fotsiny ny andro Sabata dia tokony tsy hisy olana tokoa rahaa manendry andro anakiray isankerinandro ny olona hitsaharany fa tsy ho voatery hoe “andro fahafito”, saingy tsy afaka manao izany ny vahoakan’Andriamanitra satria tsy ara-nofo ihany ny Sabata fa ara-panahy ihany koa: Ny lafiny ara-panahin’ny andro Sabata.

Tombokase na koa “marika famantarana” ny andro Sabata Eks 31:13 – Ezek 20:12 sy 20:20 Mariho tsara fa “famantarana” (na marika famantarana) eo amintsika sy Jehovah ny andro Sabata, inona no hevitr’izany?

Marika ahafantarany antsika !

Isan’ny marika (satria misy maromaro ny marika) hamantaran’I Jehovah ny tena mpivavaka aminy ny fitandremana ny “Sabata andro fahafito”, midika izany fa mety ho maro ny olona izay mivavaka na milaza fa mpivavaka amin’Andriamanitra, saingy anisan’ny ahafantaran’ Andriamanitra ny vahoakany ny fitandremana ny “andro fahafito, andro Sabata”

Marika ahafantarantsika azy!

Isan’ny marika hamantarantsika an’I Jehovah sy izay tena Fanahy avy any aminy koa ny fitandremana ny andro Sabata. Satria maro loatra ireo fitaka sy tetika ataon’ny devoly satana, izay mody miseho ho toy ny anjelin’ny mazava, ary fomba anakiray ahafahana manavaka azireny amin’ny tena Fanahy Masina ny fitandremany na tsia ny “andro Sabata”

Fehiny: Hatreto dia hitantsika fa:

1. Andro fitsaharana ny andro fahafito na andro Sabata

Page 11: SEKOLY SABATA TANORA - tomima.o.t.f.unblog.frtomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-manorina... · Ny amin’i Jesosy Kristy marina, ny sabata, ny Fitafiana Kristiana, ny fiteny

Brouillon / ZOKY ANDRY « Manorina ambony vatolampy » Pejy faha 11 / 56

2. Natao ho fitsaharana, hialàna amin’ny havizanana sy natao azahoana fifaliana sy fahafinaretana ary hampiray ny fianakaviana ny “fitsaharana andro Sabata”, ary natoron’I Jehovah tsikelikely tamin’ireo mpanompony nifandimby ny fomba iainana izany fitsaharana isan-tSabata izany

3. Ny andro Sabata sy ny fitandremana ny Sabata dia “toromarika” sy paika “hifamantarana” nampitain’I Jehovah tamin’ny zanak’Israely, sy amin’ny olombelona izay te hanompo azy .

Saingy nivadika ny rasa taty aoriana…

NY SABATA TAMIN’NY ANDRON I JESOSY KRISTY.

Nandritra ny vanimpotoana niainan’I Kristy teo an-tany dia efa nivadika tanteraka ny fandraisan’ny Jiosy sy ny olona maro ny andro Sabata, Lasa “zioga ny andro Sabata” :

Araka izany dia nataon’ireo mpitondra fivavahana (fariseo sy mpanora-dalàna) fitaovana entina namoritra ny vahoaka ny « fomba fivavahana » ary isan’izany ny fitandremana ny « andro Sabata », Lasa « andro figadràna » hoan’ny Jiosy ilay andro « fitsaharana sy fahafahana ary famantarana » tany amboaloany. Nanomboka nitombo ireo fitsipika sy lalàna kely isan-karazany manodidina ny andro Sabata, hany ka na hatramin’ny manao soa olona aza dia tsy azo atao amin’ny andro Sabata, araho anie ity tantara ity :

Jesosy ilay nanasitrana tamin’ny andro Sabata: Lio 13: 10-17

Ity tantara ity dia mitantara ny nanasitranan’i Jesosy olona anakiray izay efa narary ela, Tezitra anefa ny fariseo satria heveriny fa “fandikàna ny Sabata” koa na dia ny fanasitranana ny olona amin’ny andro Sabata aza”

Aoka tsy hitsara ivelatsihy hoy Jesosy: Raha ny lalàna apetrak’ireto fariseo ireto dia tsy tokony hatao na dia ny

mandeha mivoaka mampisotro ny “biby fiompy” aza rehefa andro Sabata, kanefa nambaran’I Jesosy fa “mampisotro mangingina” ihany ireto fariseo ireto, satria mampalahelo azy ny bibiny,.

Dia tahaka izany koa hoy izy no tokony hataontsika amin’ny olona mitovy amintsika , izany hoe ny fitandremana ny Sabata dia tsy natao hampiatoana ny toetra tsara sy ny fitiava-namana, Ary ny zavatra ratsy no fadiana amin’ny andro Sabata fa tsy ny zavatra tsara.

Inona no tian’I Jesosy hampiataina ? Nasehon’I Jesosy fa tsy ratsy akory ny lalàna fa ny andro Sabata dia natao “hahasoa ny vatana sy ny sain’ny olona”, mba hitsaharany sy ahasitrana

ny aretiny (Sabata fanasitranana hoy fahafantarantsika azy!) “Hahasoa ny fanahin’ny olona mba hitsaharany amin’ny ratsy fanaony, sy

ahatsiarovany an’Andriamanitra” Natao hanaovana izay mendrika sy tsara eo imason’Andridamanitra ihany

koa ny Sabata , araka ilay fanotanian’I Jesosy hoe :”moa ny manao soa va no mety atao amin’ny andro Sabata sa ny manao ratsy?”

Page 12: SEKOLY SABATA TANORA - tomima.o.t.f.unblog.frtomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-manorina... · Ny amin’i Jesosy Kristy marina, ny sabata, ny Fitafiana Kristiana, ny fiteny

Brouillon / ZOKY ANDRY « Manorina ambony vatolampy » Pejy faha 12 / 56

Izany ilay hevitra fonosin’ny tontolon’ny Sabata izay efa nianarantsika tany amin’ny fiandohan’ny lesona, fony vao nomena ny Zanak’Israely ny “Sabata”.

Vakio koa ny Jaona 5:5-16 fa misy tantara hafa mitovitovy amin’io ihany koa. Ny niotazan’ny mpianatra salohimbary tamin’ny andro Sabata: Vakio: Lio 6:1-11 Inona no mitranga eto: Nioty salohimbary hohanina ny mpianatr’I jesosy Kristy Hitan’ny fariseo izany ary tezitra izireo Rehefa namely Jesosy dia zavatra anakiroa no nasehon’I Jesosy:

• Ny mpisorona hoy izy no afaka mihinana ny mofo haseho ao amin’ny tempoly, kanefa nahoana I Davida no afaka nihinana fony izy nandositra an’I Saoly?

• Nomen’ny mpisorona an’I Davida ny mofo satria “fitiavany” azy no anton’izany, na dia mofo tsy azon’olonkafa hohanina aza.

• Manana zo hanome ny mofo amin’izay olona tiany homena ny mofo ny mpisorona hoy Izy, Kanefa I Kristy dia lehibe nohon’ny mpisorona (araka ilay teniny hoe “misy lehibe noho ny Tempoly eto”

• Ary koa izy no tompon’ny Sabata, ary afaka manao izay tiany amin’ny androny Izy, ary navelany hioty salohimbary amin’ny “androny” ny mpianany satria “fitiavany” azy izany.

Hoy ny Rny Pastera Mailhol raha nanao ohatra mikasika io tantara io (taona 1998): “Raha misy olona manana voatabia, ka hitsakitsahiny ilay voatabia, afaka hiteny azy ve ny olona hoe “tsy azonao hitsahina io fa tsy fanao ny manitsaka voatabia? Tsy misy olona afaka handrara an’I Kristy tsy hanao zavatra amin’ny andro Sabata satria azy ny andro Sabata (izy no tompon’ny voatabia, ka izay anaovany azy dia tsy misy mahasakana azy amin’izany) Fony izy tety an-tany, mankaiza Jesosy rehefa andro Sabata? Eny, mandeha mamaky teny sy mampianatra any amin’ny synagoga izy rehefa Sabata. Inona no lesona azo raisina amin’izany rehetra izany?:

1. Didin’ Andriamanitra ny fitandremana ny Sabata. 2. Raha mbola misy koa andro fahafito dia mitoetra hatrany ny andro

Sabata. 3. Natao hitsaharana ara-nofo sy ara-tsaina ary ara-panahy ny Sabata 4. Marika fifankafantaran’I Jehovah amin’ny olony ny fanajana ny Sabata. 5. Andro fankalazàna ny fahafahana ihany koa ny andro sabata 6. Tsy Zioga akory ny fitandremana ny andro Sabata, fa ny mpisorona sy ny

mpitondra fivavahana no nametraka “lalana isan-karazany” manodidina ny Sabata, nohon’ny tsy fahatakaranizireo tena “sain’Andriamanitra”, ary dia lasa zioga hoan’ny mpino Jiosy ilay fomba fitsaharana, ary izay zioga

Page 13: SEKOLY SABATA TANORA - tomima.o.t.f.unblog.frtomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-manorina... · Ny amin’i Jesosy Kristy marina, ny sabata, ny Fitafiana Kristiana, ny fiteny

Brouillon / ZOKY ANDRY « Manorina ambony vatolampy » Pejy faha 13 / 56

izay no novahan’I Kristy, araka ilay teny hoe “namahany ny Sabata”, mariho tsara fa “namahàna” fa tsy “nanafoanana” tsy akory.

NY SABATA TAMIN’NY ANDRON’NY APOSTOLY SY NY KRISTIANA VOALOHANY

Fanotaniana maro manodidina ny andro Sabata:

Ary ny Apostoly mba nanao ahoana?

Tahaka ny nataon’I Jesosy ihany no nataony koa, mitsahatra ihany koa izy rehefa andro Sabata ary mamonjy ny synagoga (indraindray mamaky teny sy mampianatra ihany koa) . Asa 13:14 Asa 13:42

Nahoana no nivadika ho andro alahady no fotoana ivavahana sy hitsaharan’ny Kristiana Sasany?

Nanomboka tamin’ny andron’ny Papa Katolika no nisy didy nanova ny andro fitsaharana (andro fahafito = Sabata) ho soloina andro voalohany na andro alahady, Rehefa nosarihina ho Kristiana Katolika ireo mpanompo sampy nivavaka tamin’ny masoandro isaky ny alahady, misy koa anefa milaza fa vokatry ny fitombon’ireo mpanompo sampy “masoandro” (mpivavaka andro alahady) tao amin’ny fiangonana Katolika no nahatonga io fiovàna io. Torak’izany ihany koa no nidiran’ny sary vongana sy marika isan-karazany tao amin’ny fiangonana Katolika Romana

Ny Papa Katolika no “tompon’ny alahady” fa tsy ny Kristiana na ny fiangonana Protestanta taty aoriana. Nandova fotsiny ilay fomba katolika ny protestanta taty aoriana

Mbola andro fahafito hatrany ve ny andro Sabata, satria efa nisy fotoana nihantona ny andro? II-Mpanj 20:11 sy Jos 10:12-14

Eny, ny fomba fanisana ny herinandro hatramin’izay dia tsy niova na tapaka, Satria ny mponina teto ambonin’ny tany dia samy nanisa ny andro tsy tapaka mandrakizao.

Inona no hevitr’ilay teny hoe “tompon’ny Sabata ny zanak’olona” Mat 15:5-8 Efa noresahintsika teo aloha io, Milaza Jesosy fa Azy ny Sabata, ka afaka manao izay tiany atao amin’ny Sabatany izy. Fa tsy olombelona Fariseo sy Mpanoradalàna no hitsara azy ny amin’izany. Inona no hevitr’ilay teny hoe “fa ny Sabata no natao hoan’ny olona fa tsy ny olona no natao hoan’ny Sabata” Mar 2:27

Milaza izany fa “fanomezana” nomen’Andriamanitra ny olombelona ny andro Sabata mba ho tombotsoany manokana (alaivo an-tsaina anie raha hoe fito andro tsy miato no andro iasàna fa tsy misy andro fitsaharana e? (Tahaka izay nanjo tany Ejipta) ho potika tanteraka ny maha olona ny olona, ny vatana, ny saina, ny fanahiny, ary ho potika hatramin’ny fiaraha-monina) Sahala ny mpiasa nomena “congé” ny olombelona, natao

Page 14: SEKOLY SABATA TANORA - tomima.o.t.f.unblog.frtomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-manorina... · Ny amin’i Jesosy Kristy marina, ny sabata, ny Fitafiana Kristiana, ny fiteny

Brouillon / ZOKY ANDRY « Manorina ambony vatolampy » Pejy faha 14 / 56

hitsaharany (ara-nofo, ara-tsaina, ara-panahy) sy ho fifaliany miaraka amin’ny mpianakaviny sy ny mpiara-monina aminy, ary ny Mpahary azy.. fa tsy hoe ny Andro Sabata akory no mifehy ny olona mba hampigadra azy.

Mbola mitoetra hatrany ve ny fitandremana ny Sabata?

Eny! Apo 15:5 - Mbola mitoetra hatrany ny fitandremana ny Sabata satria didin’Andriamanitra, sady famantarana mandrakizay. Ary ny tabernakely (tabernacle) misy ny didy folo teto an-tany dia dika mitovy ihany (copie) fa ny tena izy (original) dia any an-danitra (Apo 15:5), araka izany dia tsy afaka manafoana ny “original” isika olombelona , raha sanatria ka potehintsika na hosena aza ilay dika mitovy eto an-tany.

Eny! Heb 4:9-11 Na amin’izao vanimpotoana Kristiana izao aza dia antsoina “hitsahatra” ny Kristiana rehefa tonga ny andro fahafito, fa tsy misy andro hafa nolazaina ho fitsaharana ankoatr’izay efa voalaza tamin’ny zanak’Israely, ka hatramin’ny andron’I Paoly apostoly, fa tokana ny andro fitsaharana dia ny andro fahafito! Fanamarihana farany: Ankoatra ny “sabata andro fahafito” dia misy koa ny

• Sabatan’ny tany (izany hoe taona fahafito hitsaharana tsy iasàna ny tany) • Sabata “fetim-pivavahana” (tsy voatery ho andro sabotsy) toy ny Paska,

ny Pentekosta, sns. isaky ny migadona ireny vanimpotoana ireny teo amin’ny fivavahana Jiosy dia “mitsahatra” ihany koa izireo. Nandritra ny herinandro nijalian’I Jesosy Kristy ohatra dia nisy sabata anakiroa (Ny iray sabata paska (andro alakamisy) ny iray sabata sabotsy andro fahafito) , saingy … Mbola lesona hafa indray ny amin’izay!

Tapitra ny lesona faha 02

Page 15: SEKOLY SABATA TANORA - tomima.o.t.f.unblog.frtomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-manorina... · Ny amin’i Jesosy Kristy marina, ny sabata, ny Fitafiana Kristiana, ny fiteny

Brouillon / ZOKY ANDRY « Manorina ambony vatolampy » Pejy faha 15 / 56

Lesona faha 03 NY SEHO IVELANY ARY NY FITAFY MENDRIKA NY KRISTIANA

I - Fampidirana:

“Indray hariva raha sendra tara fodiana izahay sy ny namana maromaro dia nandalo toerana misy alika, rehefa nandalo izahay dia nivovo mafy ireo alika tamin’ilay toerana, nisy anakiray niteny mafy tamin’ireo alika ary sady nanao hoe “mandehana miakanjo, dia miaraka aminay”.Vaky hehy avokoa ny rehetra raha naheno izany satria tsy azon’ny saina eritreretina izany hoe alika hahay miakanjo izany”.ZK Andry Araka izany dia ny olombelona ihany no mahay mitafy samirery ary anakiray mampiavaka antsika olombelona amin’ny biby ny fanaovantsika fitafiana.

Inona no lanjan’ny fitafiana eo amin’ny fiainan’ny olona?

Ambara fa tsy mba mpijery ivelany Andriamanitra, marina tokoa izany raha resaka toetra no jerena, izany hoe tsy ny fanaovana akanjo tsara na fitafy tsara na fiteny malemy akory dia manaporofo fa olona tsara sy mendrika ara-panahy isika, tsy azontsika fitahana ny amin’izany Andriamanitra. Izany koa anefa dia midika fa tsy ny fanaovana fitafy mikorotana sy maloto na rovitra sy mitanjaka akory dia hilazana fa olona mendrika na masina na manetry tena isika.

Ny fomba fitafin’ny olona anakiray dia ahitana taratra ireto zavatra roa ireto: 1. Ny anjara-toerany sy ny tombam-bidiny eo anivon’ny fiaraha-monina:

Arakaraky ny fitafintsika no tombambidin-tsika eo anivon’ny fiaraha-monina, izy no mandrafitra voalohany ny haja amam-boninahitsika, ary arakarak’izay hitan’ny manodidina no handraisany antsika sy ametrahany antsika amin’izay toerana heveriny fa mendrika antsika

2. Ny toe-tsainy sy ny toe-pony manatrika ilay sehatra.

Raha manatrika fanasàna isika dia ny fitafintsika no taratra voalohany ahatsapana raha manaja ilay mpanasa isika na tsia, na koa hoe manaja ilay toerana na sehatra misy ny fanasana isika na tsia. Tokony ho tsapan’ny mpanasa na ny tompon-trano izany fa nanao “ezaka niakanjo” isika nohon’ny fanomezan-tsika voninahitra sy nohon’ny fitiavantsika azy. a. Taloha, (taloha tsy nipataloha!) Ary nitanjaka izy mivady, dia ralehilahy sy ny vadiny, nefa tsy nahalala henatra izy. Gen 2:25 Fahiny, tao Edena dia tsy nitafy akanjo hita maso ny olombelona (Adama sy Eva), kanefa na izany aza dia tsy nitanjaka izireo satria “ny voninahitr’Andriamanitra” no nandrakotra azy ary tsy nahalala henatra tokoa izireo, Mbola misy ihany koa ireo foko izay any anaty ala lavitra any izay tsy mba mitafy na mirakotra fitafiana fa “tsy miakanjo” ary ny fisainany sy ny fombany dia tsy mba manenjika azireo satria “madio sy masina” ny fihevitra

Page 16: SEKOLY SABATA TANORA - tomima.o.t.f.unblog.frtomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-manorina... · Ny amin’i Jesosy Kristy marina, ny sabata, ny Fitafiana Kristiana, ny fiteny

Brouillon / ZOKY ANDRY « Manorina ambony vatolampy » Pejy faha 16 / 56

rehetra, na teto Madagasikara fahiny aza vao taon-jato haingana ihany vao nitafy ny olona, na dia ny mponina manodidina an’Antananarivo aza. b. Devoly mampitanjaka, Jehovah kosa mampitafy: Dia nahiratra ny mason'izy mivady, ka fantany fa mitanjaka izy; ary nanjaitra ravin'aviavy izy, ka nataony sikina ho azy. Ary Jehovah Andriamanitra nanao akanjo hoditra ho an'i Adama sy ny vadiny ka nampiakanjo azy. Gen 3:7 – 3:21 Ity resaka fitafiana ity dia efa hatrany amboalohany no nifanolanana ato amin’ny Baiboly, satria fantatry ny devoly tsara fa raha vao manota ny olombelona (izy mivady) dia hiala ny voninahitr’Andriamanitra izay manarona azy. Ho afa-baraka izireo hiseho ny fahamenarany, izany hoe “hitanjaka” Anisan’ny tanjona izay nokendren’ny devoly izany ny hampitanjaka ny zanak’olombelona, rehefa tonga kosa anefa Jehovah Andriamanitra dia nampitafy azy “hodi-biby” Izy. Anisan’ny akora matanjaka sy mafana ny hodi-biby na cuir (veste cuir, kiraro cuir, fehikibo cuir) ary raha vao miteny hodi-biby isika dia milaza izany fa nisy biby nalatsa-drà ka novonoina natao sorona tao mba hitafian’izy mivady ireto, efa tandidon’I Kristy sahady izany, izay zanak’ondrin’Andriamanitra. Mbola horesahintsika izany rehefa mianatra ny hevitra ara-panahin’ny fitafiana izany isika any amin’ny faran’ny lesona. II - Ahoana marina moa ny fitafy mendrika ny vahoakan’ Andriamanitra? Raha vao miresaka fitafin’ny vahoakan’Andriamanitra isika , dia ny tsara indrindra dia ny mikaroka “catalogue” na koa miezaka mamantatra hoe “nanao ahoana ny fomba fitafin’ny Jiosy fahiny?”, tsy milaza akory izany hoe tsy maintsy mitafy tahaka ny ntaolo fahiny isika fa kosa misy “fitsipika” na “principe” tokony harahina sy tandrovana raha vao miresaka fitafiana . a. Tsy mitovy ny fitafian’ny lehilahy sy ny vehivavy. Aoka ny vehivavy tsy hitafy ny fitafian-dehilahy; ary aoka ny lehilahy tsy hitafy ny fitafiam-behivavy; fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah Andriamanitrao izay rehetra manao izany. Deo 22: 5 Fahiny dia tena miavaka ny fitafian-dehilahy sy ny fitafiam-behivavy, amin’izao fotoana izao dia misy mandika vilana io teny io ka milaza fa ny fitafiana efa nanaovan’ny “ralehilahy” no tsy azo anaovan’ny “ravehivavy”. Tsia tsy marina izany, fa tsy tokony ataon’ny vehivavy rehetra mihintsy ny mitafy na manao “fitafin-dehilahy” raha ny Baiboly no vakina, ary torak’izany ihany koa ny lehilahy rehetra tsy tokony hitafy na hanao “fitafim-behivavy”. Tahaka izay niseho tao amin’ny saha Edena dia dia mbola miezaka indray satana ankehitriny hanao izay hanimbana io “endrika sy fitafintsika olombelona” io, ka ataony izay hampifangaro ny fitafin-dehilahy amin’ny fitafim-behivavy

Page 17: SEKOLY SABATA TANORA - tomima.o.t.f.unblog.frtomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-manorina... · Ny amin’i Jesosy Kristy marina, ny sabata, ny Fitafiana Kristiana, ny fiteny

Brouillon / ZOKY ANDRY « Manorina ambony vatolampy » Pejy faha 17 / 56

sns, vao tamin’ity herinandro andrafetana ity lesona ity (Aprily 2010) no nahenoina fa misy orin’asa Japoney namorona “zipo” hoan’ny lehilahy ka anaovana miaraka amin’ny pataloha Jean izany, ary mino izahay fa tsy hitsahatra intsony ny zavatra toa izany fa hirongatra hatrany…. b. Ny resaka fitanjahana: Fa ho hita mitafy isika, fa tsy mba mitanjaka. II Kor 5: 3

Hatrany amboalohany hoy isika dia tsy navelan’ny Ray hitanjaka mihintsy satria manambany antsika zanany izany mitanjaka izany.

1) Akanjo lava!

Ary izao no fitafiana izay hataony: saron-tratra sy efoda sy akanjo ivelany sy akanjo lava tenom-boaroy sy hamama ary fehin-kibo; dia hanao fitafiana masina ho an'i Arona rahalahinao izy, sy ho an'ny zanany, mba ho mpisorona ho Ahy izy. Eks 28:4

Indraindray dia mihevitra ny lehilahy fa ny akanjo lava dia natao hoan’ny vehivavy (na dia miezaka ny hanao akanjo fohy mandrakariva aza ny vehivavy jejo) kanefa raha mamaky ny fomba nandrafetana ny akanjon’ny mpisorona isika mahita fa natao hanao akanjo lava avokoa ny olona rehetra na lahy na vavy.

a) Lava manao ahoana moa? (Akanjo manarona ny fitanjahana) Raha ny tsara sy tsotra indrindra izao dia ny ahitana “refy” mazava hoe tahaka ny ahoana no habe na halavan’ny fitafian’ny vahoakan’Andriamanitra, rehefa mikaroka ary dia mahita ny amin’ny fandrafetana ny modelin’akanjon’ny mpisorona.

b) Resaka “kalisaona”?

Ary manaova ka1isaona fohy rongony fotsy ho azy hanarona ny fitanjahany; hatramin'ny valahany ka hatramin'ny feny no hisy azy.Eks 28 42

Ity no tenin’andriamanitra mazava indrindra mamaritra ny fitanjahana hoan’ny lehilahy sy vehivavy, izany hoe manomboka eo amin’ny valahana hatramin’ny fe dia “mahamenatra” sy “tsy fampiseho masoandro” mihintsy, ary ny fe dia izay faritra ambonin’ny lohalika, Araka izany dia tokony hanao akanjo lava hatrany isika vahoakan’Andriamanitra, tsy tokony ho tazana ny “fitanjahana” na mandeha isika na mipetraka, mazava hoazy fa tsy maintsy atao manantombo ny halavan’ny akanjo satria “misondrotra” iny rehefa mipetraka na miondrika isika. Ireo mpanabe Dorkasy eo anivon’ny fiangonana dia manambara fa raha atao manasa-dranjo ny ankajon’ny vehivavy dia ho azo antoka fa tsy hitanjaka mihintsy izy na mandeha na mipetraka na miondrika aza. Ny fitafin-dehilahy kosa dia voaaron’ny didiny sy ny zaitrany tsy hisondrotra na dia miondrika sy mipetraka aza.

Ny tapany ambany izay nambara teo izay, fa manao ahoana kosa raha ny tapany ambony?

Page 18: SEKOLY SABATA TANORA - tomima.o.t.f.unblog.frtomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-manorina... · Ny amin’i Jesosy Kristy marina, ny sabata, ny Fitafiana Kristiana, ny fiteny

Brouillon / ZOKY ANDRY « Manorina ambony vatolampy » Pejy faha 18 / 56

c) Aza mampiseho sandry! Anisan’ny zavatra nahatonga saina ihany koa ny mahita Jiosy na ireo Silamo izay tsy mba miakanjo bory tanana, fa manao akanjo lava tanana, izany hoe tsy mampiseho sandry. Na ny ntaolo fahiny aza dia nilaza mihintsy fa tsy fanao ny “mampiseho sandry” ary ny tovolahy izay mifamaly na mifanditra dia azo lazaina fa tonga amin’ny “tafahoatra” mihitsy! Raha sanatria ka “mifampiseho” sandry

Raha zohina dia tsy fanao mihintsy ny mampiseho ny “membres” na ny ratsam-batana raha fitafin’ny zanak’Andriamanitra no lazaina. Mitovy ihany izany na sandry na ny fe, ny helika na ny foto-pe , ny tratra na lamosina dia samy tsy fampiseho masoandro (vahoaka) avokoa, indrindra moa fa any amin’ny toeram-pivavahana! Raha mafana ny andro dia tsara ny manao akanjo miloko mazava (fotsy ohatra) sady malala-dalaka hidiran’ny rivotra. Alaivo antsaina anie ,fa ankehitriny dia saiky ireo mampiseho tratra sy foitra ary sombim-pitombenana avokoa ny akanjo lazaina fa “tsara” na “lamaody” kanefa dia ambaran’ny Soratra Masina fa tsy fampiseho ny “valahana no midina”, tena mikaroka fomba isan-karazany mihintsy ny Devoly hanimbana ny fitafian’olombelona mba hampitanjaka azy, hatrany Edena ka hatramin’izao vaninandro izao.

Hitantsika eto izany fa tsy fanao any ampiangonana koa ny fitafy bory tanana ka mampiseho helika na foto-tsandry na sandry akory aza.

d) Akanjo manarona ny tratra!

Ary asio vozony eo afovoany, Eks 28:32a

Ny antsoina hoe “mitafy” dia hoe misy “sarona” na “hoditra faharoa” manarona ny vatana iray manotolo, Tsy misy tsy mahalala ny vehivavy rehetra fa “fitanjahana” ihany koa ny tratra izay misy ny nono, ary tsy mila toko sy andininy akory aza dia efa mahalala izany avokoa ny rehetra,

Ny akanjo araka ny Soratra Masina dia misy vozony, manodidina ny tenda no antsoina hoe vozon’akanjo, mety ho faritra boribory voazaitra io vozony io araka ny akanjon’ny mpisorona fahiny nefa mety ho misy lamba mikorofarofa mihintsy (toy ny vozon’ny lobaka); Fa tsy maintsy misy vozony (midika izany fa voasarona ny tratra) , tsy mety izany raha manao akanjo tsy misy vozony fa lamba tazonin’ny tady kely (bretelles) na koa mangarahara “transparent” indrindra moa fa “tady kely mangarahara” sa ahoana hoy ise? Ny lehilahy koa dia tsy tokony hampiseho tratra (tsy mila ampianarina azy akory izany!) e) Aro rivotra ny somotr’aviavy ! « Vive le vent! Vive le vent ! »

Iza no zazavavy fony fahakeliny no tsy faly sy mioraka rehefa manao zipo lava ka tsofin’ny rivotra ? Ary ny mason’ny lehilahy kosa « mitsoka » mankaiza ?

« …Mba mahalasa ny saiko ny hoe nahoana no asiana apongaben-danitra sy somo-traviavy ny sisin’ny akanjon’ny mpisorona ?, rehefa namakafaka aho

Page 19: SEKOLY SABATA TANORA - tomima.o.t.f.unblog.frtomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-manorina... · Ny amin’i Jesosy Kristy marina, ny sabata, ny Fitafiana Kristiana, ny fiteny

Brouillon / ZOKY ANDRY « Manorina ambony vatolampy » Pejy faha 19 / 56

dia nahita fa tsy hoe “fahatsaran-tarehy” fotsiny ireo apongamben-danitra sy somotr’aviavy fa miaro ilay akanjo tsy hitopatopa loatra raha tojo rivotra (lasa « contre-poid »)… » ZK Andry Satria samy mahalala isika rehetra fa na dia manao akanjo lava aza isika ka mitsoka mafy ny rivotra dia mety hampitanjaka tampoka ny fitsofan’ny rivoka ny akanjo izay anaovana. Tsara izany raha akanjo tsy mora zakan’ny rivotra no anaovana, fandrao mampitanjaka.

2) Avaho ny akanjo fitondra mivavaka na fitafiana masina: « Ary hanala ny fitafiany izy ka hitafy fitafiana hafa, dia hamoaka ny lavenona ho eny ivelan'ny toby amin'izay fitoerana madio ». Lev 6 :4 « Raha miditra ao ny mpisorona, dia tsy hiala amin'ny fitoerana masina ho any amin'ny kianja ivelany izy, fa ao no hamelany ny fitafiana masina izay nentiny nanao fanompoam-pivavahana, satria masina ireo; ary hitafy fitafiana hafa izy vao manatona ny olona ». Ezek 42 :14 Ny fitafiana fanao mandritra ny fotoam-pisoronana dia soloina akanjo “fitena” rehefa mivoaka ivelan’ny toerana fanaovana fanompoam-pivavahana ny mpisorona. Izany hoe tsara raha atokana (hamasinina) hoan’ Andriamanitra na hoan’ny fety lehibe ny fitafiana anakiray na vitsivitsy ka tsy hanaovana an-davan’andro mihintsy. Izay « fanokanana » izay no hevitry ny hoe « masina », Ny fitafiana masina izany dia midika hoe fitafiana « voatokana ». Tsy milaza akory izany fa natao hatahorana sy hivavahana na mpitondra fitahiana indray ilay akanjo, fa “natokana” fotsiny izy hanaovana amin’ny fotoam-pivavahana. 3) Misaron-doha ny vehivavy ary tsy misatroka ny lehilahy! I-kor 11:3-10 Ity kosa indray dia fitafy tsy fanao andavan’andro fa fitafy rehefa mivavaka, rehefa mivavaka dia tsy maintsy misaron-doha ny vehivavy, ary tsy mahazo misatroka kosa ny lehilahy, tena misy akony ara-panahy io, maha afa-boninahitra ny lehilahy io raha vao dikaina ary manao tsinontsinona an’I Kristy mihintsy. Izany akory tsy midika fa tsy mahazo misaron-doha ny vehivavy rehefa andavan’andro na koa hoe tsy maintsy misatroka ny lehilahy amin’ny andavan’andro, fa azo atao tsara ny manaraka io toromarika io na dia amin’ny fotoana tsy ivavahana aza. Azonareo ve? 4) Tsy voatery hiova akanjo isan-kerinandro! Ny vehivavy no matetika tratry ny fisainana hoe “efa nanaovana tamin’ny heriny ity akanjo ity” hany ka na dia “fitafy mahamenatra” aza no misy dia safidiana ihany ny hanao ilay “akanjo mahamenatra” satria ilay akanjo “masina” sy “mendrika” dia efa nanaovana tamin’ny heriny! Mbola fandriky ny devoly avokoa izany foto-mpisainana izany. Raha mahamenatra mantsy ny manao akanjo mitovy isaky ny mivavaka dia ny diakona sy ny loholona ary ny mpitandrina rehetra no tokony ho menatra indrindra satria ny akanjon’izireo dia mitovy hatrany isaky ny fotoam-pivavahana. 5) Hoan’I Jesosy tokoa ve?

Page 20: SEKOLY SABATA TANORA - tomima.o.t.f.unblog.frtomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-manorina... · Ny amin’i Jesosy Kristy marina, ny sabata, ny Fitafiana Kristiana, ny fiteny

Brouillon / ZOKY ANDRY « Manorina ambony vatolampy » Pejy faha 20 / 56

Misy milaza fa ny mahatonga azy hiakanjo “jejo” dia fahatsaran-tarehy hoan’I Jesosy, dia ataon’I Jesosy inona re ny foitrantsika? Na ny fe –kelintsika? Na ny tratrantsika? Inona no emboka manitra avy amin’ireo fitanjahantsika ireo ho voninahitry ny tompo? Sao dia mba famitahana ny hafa fotsiny ihany izany? 6) Pataloha « Jean » sa kravato sa palitao sa « Costume »? Nisy olona maromaro samihafa niresaka taminay hoe “tokony hambara eo anivon’ny fiangonana hoe tsy tokony hanao lamba Jean ny lehilahy rehefa mivavaka, ary tokony hanao Palitao sy kravato avokoa…”

Eo antrehan’izany dia sarotra ihany ny handidy na hamoaka teny toa izany satria tsy misy toko sy andininy mandrara “ravin-damba” ao anaty Soratra Masina fa didin’akanjo no hita ao, ekena fa raha ny lamaody sy ny fomba amin’izao vaninandro misy antsika izao sy ny fomban’izao tontolo izao dia ny lamba tsy Jean sy ny fanaovana kravato no eken’ny fisainana tandrefana fa “fitafy mihaja” hoan’ny lehilahy (na vehivavy koa aza), saingy sarotra ny hametraka izany ho lalam-piangonana satria “mandalo ihany izany “lamaody velon-drirana sy kravato” tandrefana izany, fa afaka taon-jato iray dia mety hiova hafa indray no ravin-damba lamaody, Ny fivavahana Kristiana anefa tsy mpanara-damaody !

Atao ahoana tokoa re no hiteny amin’ny lehilahy hoe « manaova palitao sy kravato ianareo isaky ny mivavaka, satria tsy maintsy hiteny amin’ny vehivavy koa hoe « tsy maintsy « costume » no anaovanareo isan-tsabata ? Na izany na tsy izany aza dia anjaran’ny tsirairay no manokana izay fitafy mendrika indrindra ao aminy ho entina midera sy mivavaka amin’Ilay Andriamanitra be voninahitra ! Arak’izany dia tsy misy toko sy andininy milaza fa tsy maintsy manao fitafy tandrefana ny Kristiana, fa azontsika atao tsara ny manao ny fitafintsika “Malagasy” toy ny « malabary” ohatra hoan’ny lehilahy sy « akanjo » « robe » ohatra hoan’ny vehivavy, raha manaraka tsara ireo “fitsipika” na “principe” voazava tery ambony isika. c. Iza no mampiakanjo anao? Tsaroana eto ny fampianaran’I Maitresse Dina… “Isaky ny miakanjo isika dia misy antony vokoa ny safidintsika, na loko io na didin’akanjo, izany hoe misy fanahy mibitsika amintsika ao sy miady hevitra amintsika hoe “anaovy! Esory! Tsy mety! Mety!” Fa tahaka ny olo-malaza rehetra izay manana ny antsoina hoe “mpampiakanjo” dia anjaranao no mieritreritra sy misafidy hoe “iza no mpampiakanjo ahy androany? Jesosy ve sa Satana? Samy hafa mantsy ny “style” n’izy roa ireo” (Ny iray style Kristiana, ny anakiray kosa “style satanique”). d. Ahoana no fomba fiasan’ny Devoly amin’ny resaka lamaody ratsy? Tsara marihina aloha fa misy lamaody (fomba) ratsy, ary misy kosa lamaody tsara; Rehefa nandinika ireo Kristiana any ivelany dia nilaza fa toy izao ny fomba fiasan’ny Devoly:

Page 21: SEKOLY SABATA TANORA - tomima.o.t.f.unblog.frtomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-manorina... · Ny amin’i Jesosy Kristy marina, ny sabata, ny Fitafiana Kristiana, ny fiteny

Brouillon / ZOKY ANDRY « Manorina ambony vatolampy » Pejy faha 21 / 56

1. Mpanjaitra malaza no asainy mamoaka ny didin’akanjo (Ilay lamaody ratsy)

2. Olona malaza no asaina mitafy azy voalohany 3. Zarina tsikelikely ny mason’ny olona ka averimberina eo imasony iny

lamaody ratsy iny (horonan-tsaru -film, dokam-barotra, clips , dessin annimé), mety hiteraka adihevitra ilay lamaody amin’ny voalohany , saingy rehefa zatra mijery sy mahita ilay “lamaody” amin’ny fiainana an-davanandro ny olona dia ho lefy hoazy ny mpanakiana ka hanaiky fa “izao no lamaody e!”

4. Atao lafo be ny vidiny mba ilazàna fa mihaja ilay akanjo 5. Atao mora indray aty aoriana mba hitafy azy avokoa ny olona rehetra,

hatramin’ny ankizy kely taona aza… 6. Foronina indray ny lamaody ratsy manaraka…

e. Fanampiny - Lafiny ara-panahy : Raha ireto Soratra Masina ireto fotsiny dia efa ampy hanazavana ny lafiny ara-panahy:

N Mahatonga ozona hoan’ny lehilahy na ny vehivavy ny fijerena na fahitana ny fitanjahan’ny hafa (Gen 9 :22 Lev 20 :17)

Zavatra mety tsy ho noeritreretintsika lehilahy na vehivavy manao fitafy mihanjaka mihintsy izany, kanefa asehon’ny Soratra Masina fa raha vao mahita ny fitanjahantsika ny hafa (tratra-foto-nono, nono,Foto-tsandry- sandry -fitombenana- foitra – valahana – fe – foto-pe sns), dia misy “ozona” mitatao aminy! Dia tahaka ny mpamafy ozona amin’ny hafa mihintsy isika rehefa manao akanjo mihanjaka.

N Ny fitanjahana dia mampiala ny fanahin’Andriamanitra amintsika (Ezek 23 :18)

N Toetra anaty ihany koa ny fitafiana (Kol 3:12) N Kristy no tena fitafiana (Rom 13:14) sns

f. Fehiny : Hitantsika eto fa tena zava-dehibe amin’Andriamanitra mihintsy ny fitafintsika, ary taratry ny ara-panahy izany fa tsy hoe zavatra azo atao tsinontsinona tsy akory, koa manomboka izao dia aoka isika ho sarotiny amin’ny fitafintsika, fa taratry ny fahamasinantsika sy ny fahamasinan’ilay Tompontsika izany.

Page 22: SEKOLY SABATA TANORA - tomima.o.t.f.unblog.frtomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-manorina... · Ny amin’i Jesosy Kristy marina, ny sabata, ny Fitafiana Kristiana, ny fiteny

Brouillon / ZOKY ANDRY « Manorina ambony vatolampy » Pejy faha 22 / 56

Lesona faha 04

NY ERITRERITRA SY NY FAHOTANA (Mat 5, Eks 20, Jak 1, Kol 3, Fil 4)

Aleo misoroka toa izay mitsabo hoy ny fitenin’ny razantsika. Misy koa miteny hoe “ny fiarovantena tsara indrindra dia ny fanafihana”! Hiezaka isika amin’ity lesona manaraka ity ny hijery ny tena fototry ny ota na ny olana mikasika ny fahotana. Sao dia mba misy azo atao ihany tsy ahatongavana amin’izay ota izay? Sa dia tsy maintsy manota ny olom-belona? Na dia Kristiana koa ary ve? Andao ary hiaraka hianatra indray!

I. Mbola manampy trotraka koa Jesosy ?

Asa hianareo raha mba ohatranay, fa fanotaniana be dia be no tonga ao an-tsainay raha momba ity resaka “eritreritra sy fisainana ary fahotana” ity…

1. Ahoana tsara moa ny mikasika ny didy folo? Vakio ny Eks 20:13; Efa mazava eto fa tsy azo atao ny mamono olona (mahafaty azy) kanefa dia hoy indray Jesosy ao amin’ny Mat 5:21-22 hoe raha vao tezitra amin’ny rahalahinao fotsiny ianao dia efa azo kilasiana ho mpamono olona ihany koa!

Ataon’i Jesosy mitovy kilasy ve ny fahatezerana sy ny famonoana olona? Dia mba rariny ve izany? sa te hanampy trotraka ny didy efa misy fotsiny Jesosy ?

Diniho tsara fa tsy ny hoe “tezitra amin’ny olona” fotsiny no ambaran’i Jesosy eto fa hatramin’ny fanesoesoana ny hafa ho “adala” dia efa ampy hanamelohana any amin’ny helo mirehitra afo! Ny didy folo dia mandrara ny « vono olona », ataon’i Jeosy mitovy kilasy amin’izany anefa ny « fahatezerana » toa izany koa ny filazana ny hafa hoe «adala» mba mitombina ve zany amin’ny fahitantsika azy ?

Mety ve ny miteny hoe “ialahy” sa tsy mety?

Matetika io tenin’Andriamanitra io koa dia mahatonga ny sasany hiteny hoe ny fanaovana « ialahy » no ratsy eto, tsia! Fa raha dinihina ny dikanteny hafa dia tsy ny fampiasàna ilay teny hoe “ialahy” akory no mahavoaheloka eto fa ny fanambaniana ny hafa hoe “foka”. (Izany akory tsy midika hoe azo ifanaovan’ny olona tsy mifanakaiky am-po ny teny hoe “ialahy”, misy olona tsy mahazaka atao ialahy na ianao, dia tsy tokony atao “ianao na ialahy” izy!)

Tsy ny resaka famonoana olona ihany no lasa mihitatra fa mbola ao koa ny mikasika ny resaka fijangajangana.

2. Ataon’i Jesosy mitovy ihany koa ve ny mijangajanga (manao firaisana ivelan’ny fanambadiana Eks 20:14) sy ny « fijery mifono filàna na mitsiriritra » Mat 5:28?

Page 23: SEKOLY SABATA TANORA - tomima.o.t.f.unblog.frtomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-manorina... · Ny amin’i Jesosy Kristy marina, ny sabata, ny Fitafiana Kristiana, ny fiteny

Brouillon / ZOKY ANDRY « Manorina ambony vatolampy » Pejy faha 23 / 56

i. Sa ny mieritreritra fijangajangana ao « am-po tsy miloaka » dia tokony ho maivana kokoa raha oharina amin’ny « fanatanterahana fijangajangana »?

ii. Dia mbola ataon’i Jeosy mitovy lanja ihany eto ny « eritreritra » sy ny « fanatanterahana » Mba rariny ve izany?

Ireo fanotaniana marobe ireo dia mila valiny mazava tokoa, ary andeha hovoasantsika tsikelikely ary ny vontoatin-dresaka.

II. Ny eritreritra no diso voalohany!

1. Vakio Mar 7:20-23. Inona no tian’i Jesosy ambara raha miteny izy hoe « avy ao anaty » no mivoaka ny fahotana? Milaza ny “fisainana sy ny eritreritra” izy raha miteny hoe “fo” , tsy manana fahafahana “hitahiry hevitra” tsinona ny fo , fa ny fisainana sy ny eritreritra irery no manana izany toetra izany.

2. Vakio Jakoba 1:13-15. Inona no resahany raha miteny izy hoe « rehefa toritoronina ny ota na "lorsque le désir a conçu" Milaza ny eritreritra sy ny fisainana izay mamolavola zavatra izy (miketrika hoy isika tanora, izany hoe “rehefa ketrehina ny ota dia… ”

Milaza Jakoba eto fa ny fivoaran’ny ny filàn-dratsy ao anatintsika dia mitondra antsika any amin’ny fahafatesana.

3. Inona ary no lesona ambaran’i Marka sy Jakoba antsika eto? NY FAHOTANA REHETRA DIA MIATOMBOKA AMIN’NY ERITRERITRA!

Ahoana marina izany no tokony hitondrantsika ny fisainantsika? Mety ve ny « mieritreritra » zavatra ratsy kanefa « tsy manatanteraka » izany akory? Tsia! Ny fampianaran’i Jesosy dia milaza fa ny tena loharanon’ny fanomoana olona sy ny fijangajangana dia ny fisainantsika na ny eritrerintsika!

4. Ao anatin’io « contexte » io, nahoana no lazaina fa « ratsy » ny milaza olona iray hoe « adala » (« manafôka olo » hoy ny malagasy namana) (Matio 5:22)?

Mampiseho mibaribary Jesosy fa ny « famonoana olona » dia miainga tsikelikely tahaka izao : Ny “fanambaniana” olona dia mampihena ny fanajanao azy !; dingana iray mankany amin’ny vono olona izay; ho vitanao ny dingana faharoa raha vao “tezitra” aminy ianao; ary ny “vono olona mivantana” no hiafaran’izany zavatra izany.

N Dingana voalohany : fanambaniana na tsy fanajana olona N Dingana faharoa : fahatezerana N Dingana farany: famonoana olona sy fankahalàna na faniriana

ratsy hanjo azy

Page 24: SEKOLY SABATA TANORA - tomima.o.t.f.unblog.frtomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-manorina... · Ny amin’i Jesosy Kristy marina, ny sabata, ny Fitafiana Kristiana, ny fiteny

Brouillon / ZOKY ANDRY « Manorina ambony vatolampy » Pejy faha 24 / 56

Ny ankamaroan’ny olona dia tsy tonga any amin’ny izay dingana farany izay, kanefa dia aleo « misoroka » ka tsy miditra na dia amin’ny dingana voalohany aza!

5. “…Fony aho mbola zaza, fito na valo taona (tany Mananjary izahay no nipetraka tamin’izay) dia nisy “gadra” afaka mivoaka ivelan’ny ny fonja amin’ny fotoana andavan’andro ka manampy ireo zandary eo amin’ny toby iasan’ny zandary; Eo ampamakiana kitay ity “gadra” ity; ary amin’ny maha zaza ahy tamin’izany dia nanantona azy teo aho ka nanontany hoe:

-Fa maninona ianao no nigadra? -Dia namaly izy hoe « namono olona! »; -Nasiaka be angaha le olona? Hoy aho, -Ny vadiko no novonoiko; “tsara fanahy izy kah! fa tsy haiko hoy izy fa niady zahay dia avy eo matiko izy ! » ;

Hitako tamin’ny endriny fa nalahelo sy nanenina ity lehilahy ity! Ary tsy noheveriny ho tonga amin’ny fahafatesan’ny vadiny ny adiady fanaon’izireo…” ZK Andry

Ny trangan-javatra toa izany indrindra no tian’ny Soratra Masina hitandremantsika, fa malama loatra ny lalana mankany amin’ny fahotana, ka raha vao tafandalo eo amin’ny tandrifiny ianao dia « efa lasany » sahady!

6. Inona no hevitry ny hoe « mitsiriritra ny vadin’ny namana » Vakio ny Eks20:17.

Tonga dia ny « saina mitsiriritra » mihintsy no voaeloka eto! Miantomboka ao an-tsaina tokoa ny fahotana, raha tsy te hanao « fijangajangana » ianao, aza mitsiriritra akory!

III. Ho tapahina sy ariana tokoa ve ny maso sy ny tanana ?

1. Vakio ny Mat 5:28-30, inona no hevitr’io teny io raha oharina amin’ny amin’ny resaka momba ny « fisainana sy eritreritra » eto?

Raha potserinao ny masonao, satria hoe nanao « fijery mifono filàna » olona anakiray, mahavaha ny olana ve izay?

Raha tapahinao ny tananao satria ianao zatra mangalatra, Hamaha ny olana ifotony ve izay? Mazava ho azy fa TSIA no valiny! Efa nambaran’i Jesosy fa ny fototry ny fahotana dia ao « an-tsaintsika »! Tsy ny tanana mihintsy na ny maso no Rangory fototry ny afo fa ny « ati-doha »!) Ny ati-doha izany no tokony « loarana sy esorina” raha izany! Sa ahoana?

Inona ary no antony hilazan’i Jesosy an’izany raha fantany fa tsy handaitra izany?

Page 25: SEKOLY SABATA TANORA - tomima.o.t.f.unblog.frtomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-manorina... · Ny amin’i Jesosy Kristy marina, ny sabata, ny Fitafiana Kristiana, ny fiteny

Brouillon / ZOKY ANDRY « Manorina ambony vatolampy » Pejy faha 25 / 56

Eny e! Tsy ho vitantsika mihintsy izany hoe “hanongotra ny ati-dohantsika, dia avy eo miaina manaraka ny Tompo”! na ny « Robot » aza toa mba misy milina fototra mibaiko azy ihany. Tian’ny Tompo ho tsapantsika fotsiny fa tsy azo amaivanina ny resaka fahotana (“resaka gravy” io hoy isika tanora ka tsy vitavita mora)

Fa raha azontsika atao ny manapotsitra ny masontsika, na manongotra ny tanantsika fa hoe “izay manao izany no mahazo ny lanitra” tsy hataotsika ve? Mazava ho azy fa hataontsika! Misy sorona tsy maintsy atao ao izany! (Tsy maintsy “mi-sacre” isika! ary ity ati-doha misaina ity no tsy maintsy folahana!)

IV. Ahoana no fomba hamolahana ny fisainana ?

1. Saino ny zavatra any ambony hoy i Paoly (Kol 3:1-2). (« fixer vos esprits sur "les choses d'en haut"). Amin’ny fomba ahoana ary ?

Vakio ny Kol 3:5-8. Misy lisitra vitsivitsy mikasika ny « fahotan’ny eritreritra » eto ! Inona avy no hitanao ?:

- Fijangajangana, - Firehetam-po, - Fanirian-dratsy… - Fahatezerana, - Lolom-po, - Fiafonafonana…

Eo amin’ny and faha 7 dia milaza hoe « izany koa no nalehanareo fahiny » (nivelona tamin’izany isika fahiny! tena « fiainantsika andavan’andro » mihintsy izany fahiny!)

Ahoana no atao mba tsy “handehanana” amin’ireo « otan’ny eritreritra » marobe ireo?

"Ny hevitry ny hoe “naleha” hoy isika dia ilay « fomba nitondrana ny fiainana andavan’andro mihintsy! Mitaona antsika ny Tompo mba TSY ENTINA amin’izany intsony ny fisainantsika (na ny fiainantsika) ka « hanapa-kevitra ao an-tsaina na mandray « decision » isika ny “tsy hifidy” ny zavatra (fotoana na sehatra na tontolo na toerana) mandoto ny saintsika izay mitarika antsika hitsiriritra na tsy ahonon-tena.

Aza mandeha amin’ny “sehatra ratsy na tontolo ratsy” ! Salamo 1:1

Milaza izy fa sambatra izay olona tsy mandalo ary tsy miditra na “mihainohaino” na “mihodina” amin’ireny toerana ireny! ; Mahafantatra toerana tahak’io lazain’io Salamo io ve ianao? (ny toeram-ilokana; ny “boite de nuit”, ny “Disco” sns ; ny toerana mangingina sy takotakona , ny fety sy lanonana misy fimamoana na fampisehoana fihetsika “vetaveta” isan-karazany !) Fantatr’I Davida mpanao Salamo tsara fa ny fandalovana sy fijanojanonana amin’ireny sehatra ireny (toerana sy fotoana) dia misy

Page 26: SEKOLY SABATA TANORA - tomima.o.t.f.unblog.frtomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-manorina... · Ny amin’i Jesosy Kristy marina, ny sabata, ny Fitafiana Kristiana, ny fiteny

Brouillon / ZOKY ANDRY « Manorina ambony vatolampy » Pejy faha 26 / 56

akony ao anatin’ny fisainantsika, ka na dia olona tsy mifoka sy tsy miloka aza ianao, dia ho tonga ao an-tsainao izany, na olona tsy mijangajanga aza ianao, dia mety ho lasa maniry hanao izany! Vokatry ny fahitanao ny manodidina anao, na ny resaka ataony.

“…Matetika aho no mandre fa misy ray amandreny milaza fa ny fidiran’ny zanany amin’ny fikambanana tanora Kristiana dia vao maika nampaditra azy! Dia misy amin’ireny ray amandreny ireny mihintsy aza mahavatra manala ny zanany raha efa mpikambana amin’ny ireny fikambanana ireny izy ! kanefa dia avelany mijery sary mamoafady sy « fihetsika vetaveta » toy ny « clips » isan-karazany sy tantara « series » misy fijangajangana sy fisaraham-bady ary fifandimbiasam-bady sns ireny ihany anefa ny zanany , Ary dia miaraka mijery eo mihintsy aza ny mpianakavy, Mahavita manaraka izany ho ora iray isan’andro aza ny sasany ; ary raha atambatra izany dia efa ho ora maromaro isan-kerin’andro, manginy fotsiny ny zavatra resahana sy iainan’ilay tanora any ampianarana sy eny antokotany ! Ny mahagaga anefa dia tsy ariany ny « télé », na esoriny tsy hianatra intsony ny zanany na hidiny ao andava-pisoko! Tsy fantany fa ireny tontolo tsy Kristiana ireny no tena manefy ny tanora, fa « minitra vitsy » kosa no mba ahafahan’ny mpanabe mitaiza azy ireny amin’ny fiainana Kristiana! ka ny voka-dratsin’ny tontolo iainan’ny tanora andavan’andro no azerany any amin’ny fanabeazana Kristiana…” ZK Andry

Ny tiana hambara eto dia hoe « ny filomanosana » ao anaty « tontolo Kristiana » dia manampy betsaka ny tanora, ka miaro azy kokoa tsy ho voasariky ny ota.

Mety ve raha mijery sarim-behivavy mitanjaka (na lehilahy) ka sady miezaka mibaiko ny atidoha mba tsy hieritreritra « firaisana » na « taovam-pananahana » eo ampijerena izany sary izany ?

Raha mihevitra ianao hoe mety! Dia midika izany fa tena tsy azonao mihintsy izany ny votoaton’ity lesontsika ity!

Tsy tadidintsika ve ny nahazo an’I Davida? (Nanompy ny masony teny amin’ny toerana misy vehivavy miboridana mandro izy 2 Sam 11:2) ary izany traik’efa izany no nahatonga azy nanoratra ny salamo ka lasa lesona ho antsika.

Ny fahotana dia miainga avy amin’ny fisainana hoy ny lesontsika, noho izany dia tsy maintsy “ialàna” lavitra avokoa izay mety handoto azy! Ka na madio aza ny saina eo ampiandohana, ny fijerena na ny fihainoana ireny “loto” ireny dia mampahaloto ny saintsika ! Ary dia mampitsiry ny filan-dratsy isan-karazany! Ary dia fahotana no hiafarany!

Ity misy torohevitra: mety hanotany foana isika hoe ahoana ary no atao mba hialàna amin’ny otan’ny fisainana? Tahaka ny fankahalàna, fahatezerana …

Vakio ny Kol 3:12-14. Ny fomba entina misaina ny zavatra any ambony dia amin’ny alalan’ny fitafiana io fitafy vaovao io (and 12). Tahaka ny mpitondra sambon-danitra, rehefa mieritreritra sy mivonona ny ho any ambony tsy taka-

Page 27: SEKOLY SABATA TANORA - tomima.o.t.f.unblog.frtomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-manorina... · Ny amin’i Jesosy Kristy marina, ny sabata, ny Fitafiana Kristiana, ny fiteny

Brouillon / ZOKY ANDRY « Manorina ambony vatolampy » Pejy faha 27 / 56

maso izy dia miomana dieny izao, sady mitafy ny akanjon’ny mpanamory sambon-danitra, na dia mbola tsy tonga any ambony tsy taka-maso aza. Ireo fisainana vaovao ireo dia efa mandrafitra ny fitafy vaovao sahady

Kolokoloy ny fisainantsika (tandrovy ilay fitafiana)

Ity koa misy fomba mahomby! Vakio Fil 4:8. « Na inona na inona madio, dia hevero izany ! Hoy i Paoly ; izany hoe izay zavatra ampidirintsika ao antsaina dia misy fiatraikany amin’ny fomba fieritreretantsika ! (Efa henonareo ve ilay hatsikan’i Francis turbo hoe « rehefa avy mijery video « karaté na kung fu » dia toa lasa matanjaka sy sahisahy ! fa rehefa avy mijery tantara « mampatahotra na Horreur» kosa dia tsy sahy mody irery » ?) Noho izany dia ezaho mandrakariva mba ho zavatra madio no ampidirina ao an-tsaina, fa hadio tokoa ny fisainantsika.

Raha mandany fotoana mijery « film » sy « series » mitantara fijangajanana ianao, dia ho lasa tsy hatoky vady ho azy, ka dia ho mahimahina sy ahatsiaro mijaly! Raha mandany fotoana mamaky « roman » ianao ka manao tsinontsinona ny famakiana sy fianarana ny Soratra Masina dia mazava ho azy fa « tsy izy mihintsy ilay fitafiam-panahy (fomba fisainana) eny aminao. Zavatra tsotra be izany !

Inona no tetika fototra mba ahatonga an’Andriamanitra ho Tompo sy mpanjakan’ny fisainantsika ?

Fomba voalohany: Isika no mandidy izay tiantsika eritreretina:

Tompon’andraikitra (responsable) hibaiko ny fisainantsika isika ! Mba hibanjinantsika ny « zavatra any ambony » sy « hanarahantsika ny sitrapon’Andriamanitra ». Isika no mandidy izay tiantsika hoeritreretina! Fidio ary izay sitrak’Andriamanitra.

“Ohatra hoe : Afaka misafidy ianao na hanao tezitra na tsy ho tezitra amin’ny zavatra mitranga iray, fa tsy misy olona azo terena ho tezitra na halahelo izany!” dia toa izany koa no atao amin’ny fisainana eto ! »

Fomba faharoa: Fidio izay tiantsika hampidirina ao an-tsaina

Raha azonao tsara ny ohatra mikasika ilay hatsikan’i Francis turbo dia ho tsapanao fa azo folahina ny fisainana, Noho izany dia aleo « mizatra amin’ny fisainana madio sy masina mandrakariva, amin’ny alalan’ny fisafidianana izay hira mahasoa, sary mahasoa, resaka mahasoa, toerana mahasoa, fa « hiova » tokoa ny fisainantsika !

Ry tanora namana ! Miainga avy amin’ny fisainana sy ny eritreritra avokoa na ny fahotana na ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra, tsy aleo ve Jesosy no avela hanjaka ao anatin’ny lohantsika sa aleonao ny ati-dohanao mihintsy no kapaina sy esorina?

Tapitra ny lesona faha 03

Page 28: SEKOLY SABATA TANORA - tomima.o.t.f.unblog.frtomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-manorina... · Ny amin’i Jesosy Kristy marina, ny sabata, ny Fitafiana Kristiana, ny fiteny

Brouillon / ZOKY ANDRY « Manorina ambony vatolampy » Pejy faha 28 / 56

Lesona faha 05

NY FILANA SY NY FIAINAM-PANAHY (Gen 2 & 3, Rom 7 & 9)

Fampidirina: Niarahantsika nahita tamin’ny lesontsika farany teo fa tsy ny « fihetsika » akory no mampanota ny olona, fa ny « fisainana na ny eritreritra» ; amin’ity lesona ity indray isika dia hijery ny toeran’ny « filàna na desirs» eo amin’ny fiainam-panahintsika, ratsy ve ny filàna sa tsara ! Mampanota ve izy sa tsia? Andao indray ary samy handinika.

I. Noforonon’Andriamanitra ny filàna (desirs)

1. Vakio Gen 2:8-9. Nanao zaridaina hoan’i Adama Jehovah eto! Inona no tanjony?

Misy vokatra nandrasana tamin’ilay zaridaina eto Gen 2:9? Hazo maha te hizaha, sy tsara ho fihinana no vokatra andrasana, Nahoana moa Jehovah no nanao hazo maha te hizaha? Inona no ilàna an’izany?

“…Voasoratra fa « ny sakafo noharian’Andriamanitra dia « tsara » avokoa, midika ihany koa ve hoe « matsiro » izany? Mino aho fa matsiro ihany koa no tiany hambara satria noforonon’Andriamanitra miaraka amin’ny fahenoana « tsiro » ny olombelona matoa lazaina eto fa tsara ho fihinanana ireo hazo ireo…” Z.A

2. Vakio ny Gen 2:21-24. Araka ny fiheverantsika, tahaka ny ahoana moa ny endriky i Eva? Manja sa tsy manja? Tsy mampino raha namorona hazo maha te hizaha Andriamanitra avy eo dia hamorona vehivavy ratsy tarehy sy bika! sa ahoana hoy ianareo?

Inona no hevitr’ilay teny hoe « nofo iray ihany » izy? Maneho ny ny fananahana na processus de procréation izany, ny « Firaisana ara-nofo » hoy ny fiteny. Nahoana no nataon’Andriamanitra matsiro amin’ny olombelona ny firaisana ara-nofo?

3. Azontsika antsaina ve ny tiana hambara eto? Izany hoe namorona tontolo maha te hizaha Andriamanitra, sakafo maha te ihinanana, vady tsara bika sy tarehy, ary fomba fananahana mahafinaritra. Midika izany fa noforonon’Andriamanitra hoan’ny olona ny filàna; mba azahoantsika fifaliana sy fahafinaretana; ary tsy zavatra ivelany izany fa ao anatintsika tsirairay mihintsy! Tena mahay mihintsy ny Tompo!

Tsaratsara kokoa ve raha nataon’Andriamanitra tsy maheno « tsiro » isika na koa nataony tsy misy tsirony ny sakafo, ary tsy mahafinartra ny olombelona mahita olona tsara bika sy tarehy, sady koa nataony tsy mahafinarina ny firaisana ara-nofo? Na koa ny mahazo zaza? Mety ho mahia kaozatra tsy ampy sakafo daholo isika rehetra, ka ho mora nandairan’aretina isan-karazany ary ho vitsy kokoa noho izao ankehitriny izao

Page 29: SEKOLY SABATA TANORA - tomima.o.t.f.unblog.frtomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-manorina... · Ny amin’i Jesosy Kristy marina, ny sabata, ny Fitafiana Kristiana, ny fiteny

Brouillon / ZOKY ANDRY « Manorina ambony vatolampy » Pejy faha 29 / 56

ny isantsika; tsy ho toa izao mihintsy ny fiainana! (“ho ratsy kokoa” hoy ny sasany)

II. Ny filàna sy ny fahotana Gen3:4-5

1. Inona no « toha-kevitra na argument » nentin’i satana tsy hankatoavana an’Andriamanitra eto? Vakio Gen 3:4-5.

Lazainy fa “manao izay tsy hitovian’i Eva aminy Andriamanitra; fa raha vao mihinana ilay voankazo i Eva dia ahafantatra ireo zavatra hain’Andriamanitra ihany koa”.

2. Fa nahoana i Eva no nanaiky ihinanana ilay voankazo voarara?. Gen 3:6. Noana ve izy? Te hisakafo paoma ve izy?

Tsy ny hanoanan’i Eva na ny fahazotoan-komana mihintsy no no antony nampanota an’i Eva, feno voan-kazo matsiro tao Edena! Tsy ny sakafo no nahatonga azy hanota fa ny faniriany tsotra izao hitovy amin’Andriamanitra!

Ka raha tsy ny hanoanana ary no nampanota an’i Eva, nahoana no voalaza ao amin’ny Gen 3:6 fa tsara sy mahafinaritra ilay voankazo? Satana ve dia hanome azy “paoma lo” na simba! tsy maintsy mba « paoma » mahatsiriritra kosa no nampiasainy e!

3. Refa hitantsika fa tsara no namoronan’Andriamanitra ny « filàna » ao anatintsika, ahoana anefa no nitrandrahan’i Satana izany filàna izany eto? Manetsika ny filàntsika i satana mba ahatonga antsika hanota!

Inona no lesona azo raisina mikasika ny fahotana sy ny filàna eto ?

(1)-Tsy fahotana akory ny filàna. (2)-Manetsika ny filàna ahatonga antsika hanota kosa anefa i satana.

Ny zava-dehibe izany dia ny mamantatra na « amin’ny tokony ho izy ny anton’ilay filàntsika ( Amin’ny teny Frantsay hoe “question est de déterminer si l'objet de notre désir est approprié) » na sao filàna diso toerana!

Ampianarina any amin’ny sekoly ambony fianarana lalàna fa ny fomba famahana olona mahomby indrindra dia ny fitadiavana ny tena fototry ny olana, sy ny famahàna azy any am-potony. Ny fototry ny olana hoan’I Eva eto dia tsy ny “fahazotoan-komana na fitiavana sakafo” tsy akory, Raha izany mantsy dia ny “hetaheta” te hisotro rano aza dia fahotana; Fa kosa ny faniriana ny hitovy amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny herin’ny tena fotsiny! Olana hiainana hatramin’izao izany!

III. Ahoana ary no fomba hitantanana ny filàna ! 1 Pet 1:13-16.

Page 30: SEKOLY SABATA TANORA - tomima.o.t.f.unblog.frtomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-manorina... · Ny amin’i Jesosy Kristy marina, ny sabata, ny Fitafiana Kristiana, ny fiteny

Brouillon / ZOKY ANDRY « Manorina ambony vatolampy » Pejy faha 30 / 56

1. Hatreto ! dia nianarantsika fa noforonon’Andriamanitra ny filàna ! Tsy azo tsaraina hoe tsara na ratsy avy hatrany izy fa madio aloha (neutre)! Miteny anefa i Paoly hoe ny « filànareo fahiny » Diso ve izany ny lesontsika teo aloha? (Tsia! raha dinihana tsara ny andininy telo ireo dia ny fijerena tsara ny tanjona no ambarany! Raha tsara ny tanjontsika dia tsara ny filàntsika! Raha ratsy ny tanjontsika dia ratsy ilay filàntsika)

2. Rom 7:7. Tadidintsika ve fa tamin’ny lesontsika farany dia nahitantsika fa ny lalàna mikasika ny fitsiriritana dia maneho fa ny fahotana na ny fandikan-dalàna dia miatomboka ao an-tsaina ? (Ny « tsy fetezana » ao antsaina, na ny tsy fisainana tsara dia mitondra mankany amin’ny fandikana lalàna !, Ampianarina sy tezain’ny lalàna isika mba tsy hanota.)

3. Mitarika ny olona hanota ve ny lalàna? Rom 7:8. Mifanohitra ve i Paoly sy Petera? Asehon’i Petera fa ny ny eritrerintsika no tokony hifehy ny filàntsika, ary manampy antsika amin’izany ny fahafantarana ny lalàna, kanefa Paoly dia milaza fa « io didy io dia nentin’ny ota nampihetsika ny filàny » Inona no tena marina?

Efa mba nahatsikaritra ve ianao fa amin’ny toerana misy soratra hoe « tsy azo anaovana maloto » mihintsy dia eo ny olona sasany no manao izany? Ny fisian’ny « soratra » toa ireny dia milaza efa nisy nanao izany (nanao maloto) teo aloha, ary tsapa fa ratsy ilay manao maloto ka tsy azo hanaovana maloto intsony eo. Ny fahenoana sy fahitana ireny « lalàna » ireny dia ahafantarantsika ihany koa fa misy mpandika azy ny lalàna, ary ny olombelona tahaka antsika mihintsy no manana toetra mpandika lalàna!

4. Rom 7:18-21. Ahoana indray ary ity manjo an’i Paoly ity? Lazainy fa manana ny filàna tsara izy, fisainana tsara ihany koa, fa ny fihetsiny no tsy mety toa izany!, dia ho marina tokoa ve fa raha (1) ao antsaina no mitranga ny ady amin’ny ota ? (2) ao no atao ny safidy tsara rehetra ; (3) Mametraka tanjona tsara ; (4) ary manetsika ny filàna hanao izany ! Dia mbola ho zavatra (fihetsika) ratsy ihany no vokatr’izany? Ahoana no hevitrao?

Zavatra roa aloha no azo lazaina:

1. Raha manana ny filana tsara ianao, fisainana tsara ihany koa, dia mety ahatanteraka « zavatra ratsy» ihany satria misy “herin’ny ota”

Fisainana

Fihetsika

Fisainana

Fihetsik

Filàn

a Tanjona : Sitrapon’Andriamanitra

Tanjona : Fahotana

Page 31: SEKOLY SABATA TANORA - tomima.o.t.f.unblog.frtomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-manorina... · Ny amin’i Jesosy Kristy marina, ny sabata, ny Fitafiana Kristiana, ny fiteny

Brouillon / ZOKY ANDRY « Manorina ambony vatolampy » Pejy faha 31 / 56

izay miasa amin’ity nofontsika ity araka ilay voalaza hoe “ny nofo aman-dra dia tsy mahazo mandova ny fanjakan’ny lanitra” fa mitarika amin’ny ota ny “herin’ny nofo” Tsy ny nofo (vatana nofo sy ra) anefa no ambara amin’izany fa amin’ny ny maha olom-belona antsika mihintsy dia “tia manota” sy te hanota mandrakariva isika (Jereo ihany koa 2 petera 2:10) Tsy ny famonoana ny vatana akory no ahavitana ny tsara , fa ny fifehezana ny tena, sao dia misy olona voafitaky ny devoly ka milaza amin’ny fiangonana indray hoe “andao hamono tena (ho faty); fa mampanota ity nofo ity”. Misy tokoa ny vahaolana fototra amin’ny famonoana ny nofo dia ny batisa izany , saingy mbola lesona hafa izany.

2. Kanefa raha manana filàna ratsy kosa isika , ary fisainana ny hanao ratsy, dia tsy ahatanteraka zavatra tsara mihintsy fa tsy maintsy ratsy foana ! fa I Paoly tsy miteny hoe “ato amiko ihany ny fikasana hanao ratsy , fa saingy tsy ny ratsy izay sitrako no ataoko fa ny tsara izay tsy sitrako….”

Dia tsy mitombina ve izany ny lesontsika izay milaza fa ny filàna dia madio (neutre) , fa ny eritreritra no misy ratsy sy tsara ka mitarika “ota”? Ary any amin’ny eritreritra no tena “vava ady” misy ny tolona amin’ny fahotana : TENA MITOMBINA TOKOA NY LESONTSIKA , ARY IZANY NO MAHATONGA NY DIDY IZAY MANDRARA NY “FITSIRIRITANA NY FANANAN’NY HAFA” satria tsy “fihetsika” (action) toy ny “mamono olona” sy “mandainga” sns io fa ota “ataon’ny eritreritra” .

5- Dia ahoana izany no hatao? Hitantsika mibaribary eto , fa na dia madio (neutre) aza ny filàna, ka na dia tsara aza ny “fikasàna” na ny “fisainana” dia tsy ampy hanaovana ny tsara izany. Fa eo anatrehan’ny herin’ny “nofo” (maha olom-belona) dia tsy maintsy mila ny “herin’Andriamanitra” isika olom-belona. Ny herin’Andriamanitra (Fanahy Masina) no manampy antsika hanao ny tsara, fa tsy misy olom-belona afaka hanao sy hitandrina ny tsara fa vokatry ny asan’ny Fanahy masina ny fanaovana ny tsara.

Rehefa manana olana , na sendra safidy “gravy” ianao ry sakaizako, dia aza miady rery amin’ny alalan’ny fisainanao fotsiny fa miantsoa hery mpanampy na “renfort” dia ny Fanahy Masina , fa ahatanteraka ny tsara ianao. Ahoana no fomba iantsoana azy hoy ianao ? Ny vavaka ! Mivavaha raha vao sendra safidy manahirana.

Misy olona milaza fa tsy ilaina ny mivavaka sy mianatra Soratra Masina , fa ny manao ny tsara dia ampy, kanefa hitantsika tamin’ny lesontsika eto indray fa tsy ampy hanaovana ny tsara ny faniriana fotsiny , fa mila an’Andriamanitra ny olom-belona hanampy azy tsy hanota (ka hanao ny tsara). Vakio anie ny tantaran’i Eva e ! Naniry hitovy amin’Andriamanitra izy , ary dia niezaka tamin’ny alalan’ny herin’ny tenany, hany ka mora tamin’ny devoly ny namitaka azy ! Mila an’Andriamanitra isika raha te hitovy Aminy.

Page 32: SEKOLY SABATA TANORA - tomima.o.t.f.unblog.frtomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-manorina... · Ny amin’i Jesosy Kristy marina, ny sabata, ny Fitafiana Kristiana, ny fiteny

Brouillon / ZOKY ANDRY « Manorina ambony vatolampy » Pejy faha 32 / 56

6. O ry tanora namana, noforonon’Andriamanitra ny filàntsika, ary zavatra tsara koa izany ! Mangataka antsika Izy mba hisaina sy hanana fieritreretana NY TSARA mba hampihetsika ny filàntsika ho amin’ny Tsara. Nefa tsarovy fa mandritra ny fiainana sy fitomboana ao amin’ny Kristy, ny Olombelona dia tsy ampy hery hanaovana ny tsara, fa mila ny herin’Andriamanitra mandrakariva izy. Angataho ary izany hery izany ! Mangataha ny fiasan’ny Fanahy masina amin’ny fahafenoana.

Tapitra ny lesona faha 05

Page 33: SEKOLY SABATA TANORA - tomima.o.t.f.unblog.frtomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-manorina... · Ny amin’i Jesosy Kristy marina, ny sabata, ny Fitafiana Kristiana, ny fiteny

Brouillon / ZOKY ANDRY « Manorina ambony vatolampy » Pejy faha 33 / 56

Lesona faha 06 NY FANALAN-JAZA SY NY ETIKA KRISTIANA

1-Zafa-misy fa tsy azo afenina ! ny fanalan-jaza

Efa naheno resaka mikasika ny fanalan-jaza ve ianao ? sa efa nanala zaza? Sa nisafidy ny tsy hanala zaza, sa kosa mikasa hanao izany? Kristiana ianao, ary te ahalala ny hevitry ny Baiboly mikasika izany? Indro ary atolotra ho anao ity tahirin-kevitra ity , mba hanazava antsika araka ny voasoratra hoe “ ..Fa ny lalan’ny marina dia tahaky ny fipoak’andro maraina, izay mihamazava mandra-pitatao vovonan’ny andro” Ohab 4:18

Raha vao manotany Kristiana mikasika ny fanalan-jaza ianao dia samy hamaly avokoa izy rehetra hoe “tsy ankasitrahan’ny Tompo izany” , kanefa taty aoriana , vokatry ny fivoaran’ny siansa moderina dia nisy hevitra voizina indray fa tsy azo atao ny manala zaza, saingy raha mbola zaza rano na ny toa izany kosa , na koa zanaky ny fijangajangana na misy fahasaponana ao ambohoka sns dia “mandefitra” ny Tompo. Marina ve izany?

Mbola tsy olom-belona tokoa ve ny zaza ao ambohoka ?

Ny tena fototry ny adihevitra matetika dia ny hoe “olona ve sa tsy olona” ilay zaza vao notorotoronina? Antsoin’ny teny frantsay hoe “embryon” ary mivoatra ho “foetus”. (Marihina aloha fa isika olom-belona (siansa) no namorona ireo anarana roa ireo , fa hoan’ny Baiboly rehefa zaza ao ankibo dia zaza ao ankibo, fa tsy misy toko sy andininy ao milaza fa embryon na foetus…

2. Resaka ara-tsiansa mikasika ny « embryon Misy ny miteny fa tsy mbola olona ny “embryon”, kanefa eo amin’ny andro faha 21 dia efa miforona sy mitempo sahady ny fony. , amin’ny andro faha 30 (kibo iray volana) dia mihalava ilay embryon, ary eo amin’ny tendrony dia efa miforona ny ho loha, mbola vao mirefy efatra milimetatra (4 mm) ilay embryon eo. Mandrindra ny roa volana, dia mihazakazaka ny fivoaran’ilay zaza ; misoritra sahady ny endriny (tava) ,

miforona ny ho masony, ny tanany, efa feno ny taovam-pandevonan-kaniny izay mifandray amin’ny reniny amin’ny alalan’ny tadim-poatra. (Jereo ny Sary : Embryon feno 09 herinandro) ; rehefa manomboka ny faha 12O andro na faha telovolan’ny kibo dia feno daholo ny rafitra fototra rehetra, ary antsoin’ny mpanao siansa hoe “foetus” ilay zaza eo.

3. Ny dingana roa voalazan’ny Baiboly

Manomboka eo amin’ny fahaterahany ve ny fiainan’ny zanak’olombelona?, ary eo ampahaterahana ve no andraisany ny aina avy amin’andriamanitra, ary eo ve vao manana « fanahy »

Zaza ambohoka feno sivy (09) herinandro

Page 34: SEKOLY SABATA TANORA - tomima.o.t.f.unblog.frtomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-manorina... · Ny amin’i Jesosy Kristy marina, ny sabata, ny Fitafiana Kristiana, ny fiteny

Brouillon / ZOKY ANDRY « Manorina ambony vatolampy » Pejy faha 34 / 56

entiny mifandray amin’Andrianaitra izy? Araka ilay teny hoe “hivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana” ? sa efa miaina izy raha ao ankibo?

Milaza DINGANA ROA Andriamanitra raha maneho ny fahatongavan’ny olona iray ety ambonin’ny tany :

1) Ny dingana voalohany: FIFORONANA antsoina koa hoe

(fahatorotoronana, na conception; milaza ny fihaonana na fikambanan’ny

tsirinaina lahy sy vavy io, na koa ny vokatry ny firaisana ara-nofon’ny

lahy sy ny vavy

2) Ny dingana faharoa FAHATERAHANA na “naissance” (milaza ny

fivoahan’ny zaza avy ao ankibon-dreniny)

Ireto ary misy Toko sy andininy vitsivitsy izay milaza mazava sy mampisaraka tsara ireo dingana roa ireo

Job 3:3 ho foana anie ny andro nahaterahako sy ny ( na ilay) alina izay nanao hoe « misy zazalahy vao torotoronina”,

Mariho tsara fa mizara roa miavaka izy eto, ary mahagaga fa vao eo ampifandraisan’ny tsirinaina (na fitorotoroana) dia efa fantatra sahady fa zazalahy, kanefa vao ao anatin’ny vanim-potoanan’ny firaisana ara-nofo. Isika olombelona anefa efa ho 40 andro aty aoriana vao mahalala fa manan-janaka ary tsy mbola fantatra akory na lahy na vavy…)

1 Tan 7:23 “Dia nanan’anaka ravehivavy ka niteraka zazalahy”. Mat 1:19-21, “ny zaza ao ankibony dia avy amin’ny fanahy masina, ka hiteraka zazalahy izy”

Lio 1:30-31 “Hitoe-jaza ianao , ka hiteraka zazalahy.”

Ireo ohatra vitsivitsy ireo dia efa mety ampahazava ny saintsika raha vao miresaka « fanalan-jaza » Ny « embryon » vao torotoronina (tsirinaina lahy sy vavy tafa-kambana) ve dia efa « olona » eo anatrehan’Andriamanitra ?

4. Inona no toerana (statut) hametrahan’ny Baiboly ny “embryon”?

Efa olom-belona izy !

Lio 1:42 voatahy ny ateraky ny kibonao (dikanteny malagasy) / le fruit de ton sein est béni.(frantsay) ; (efa mitsipaka sahady ny fiheverana ny « embryon » tsy ho olona ny Tompo eto, vao eo ampiforonana fotsiny dia efa « fantatra (connue) sy eken’Andriamanitra (reconnue) ho olona ilay « zaza »

Gen 25:22-23 “… Firenena roa no ao ankibonao, ary vahoaka roa toko no hisaraka hatrao ambohokao,” Efa ” firenena” mihintsy no

Page 35: SEKOLY SABATA TANORA - tomima.o.t.f.unblog.frtomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-manorina... · Ny amin’i Jesosy Kristy marina, ny sabata, ny Fitafiana Kristiana, ny fiteny

Brouillon / ZOKY ANDRY « Manorina ambony vatolampy » Pejy faha 35 / 56

fahafantaran’andriamanitra ny zaza ao an-kibo fa tsy olona tsotra akory aza, raha tamin’izay moa Rebeka no nanala zaza ? tena ho famonoan’olona fahobe na « genocide » no nitranga..

Afaka mandray sy mahatsapa ny fanahy masina ny zaza ao ankibo !

Mbola lasa lavitra aza ny Baiboly, fa na dia mbola « embryon » na zaza rano tao ankibon’ny reniny aza i Jesosy, rehefa niditra ny tokatranon’i Elisabeta i Maria reniny , dia efa nibitaka nohon’ny fanatrehan’i Jesosy sahady i Jaona kely tao ankibon’I Elizabeta. (les embryons sont réceptifs à l'Esprit de Dieu et réceptifs aussi entre eux !)

Jérémia 1:5 Fony ianao mbola tsy noforoniko tao ankibo no efa fantatro ; ary hatry ny fony hianao tsy mbola teraka no efa nohamasiniko sy notendreko ho mpaminany ho an’ny firenena. (Avant que je t'eusse formé dans le ventre de ta mère, je te connaissais, et avant que tu fusses sorti de son sein, je t'avais consacré, je t'avais établi prophète des nations.) Hitantsika eto , fa na dia mbola tsy ary ao an-kibo akory aza ilay zaza, dia efa fantatr’andriamanitra ny ho fisiany, ary mariho tsara eto fa Andriamanitra no mamorona ny zaza ho ao ankibo, fa tsy kisendrasendra, na « accident », na vohoka tsy niriantsika na kajikajin’ olombelona tsy akory!, ilaintsika io andinin-tSoratra Masina io raha hiresaka ny amin’ny antony mahatonga ny olona hanala zaza isika. Tsy hiady hevitra mikasika ny « prédestination » (hoe efa voasoratra mialoha na voahozona mialoha sns) isika fa ny tiana haseho eto dia hoe « Amin’Andriamanitra dia efa manana ny maha izy azy (valeur) sahady ny zaza, na dia eo amin’ny fotoana fiforonany aza »)

5-Ahoana ny amin’ny fanahin’ny zaza nalàna, na maty ambohoka ?

Ity andalana manaraka ity dia maneho koa fa efa manana fanahy sahady ny zaza ao ambohoka, eto i Joba dia miresaka ny ireo zaza maty tao ambohoka izay mandry any amin’ny fiainan-tsihita ny fanahiny ary miandry ny fitsanganana tahaka ny fanahin’ireo olona efa maty rehetra teo alohany.

Job 3:11 ; 16-19 « …Nahoana re aho no tsy maty tany ambohoka e ? … na efa tsy ary toy ny zaza tsy tonga volana aho ka nafenina (nalevina) dia toy ny zaza izay tsy nahita mazava (masoandro) akory, any no itsaharan’ny ratsy fanahy tsy hampitebiteby, Ary any ny reraka no afa-tsasatra … samy any ny kely sy ny lehibe… », Ou je n'existerais pas, je serais comme un avorton caché, Comme des enfants qui n'ont pas vu la lumière.; Le petit et le grand sont là, Et l'esclave n'est plus soumis à son maître.

Ireo « zaza afaka » , na avortons (vokatry ny tsy fahasalaman’ny reniny, na nalàna vokatry ny fanapahankevitry ny reniny) ireo dia nomen’andriamanitra « fanahy = ames » izay matory na koa hoe maty ka miandry ny fitsarana farany. Dia mbola hitsangana amin’ny maty koa izany ny zaza noesorina, na maty tao ambohoka …!!!

Page 36: SEKOLY SABATA TANORA - tomima.o.t.f.unblog.frtomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-manorina... · Ny amin’i Jesosy Kristy marina, ny sabata, ny Fitafiana Kristiana, ny fiteny

Brouillon / ZOKY ANDRY « Manorina ambony vatolampy » Pejy faha 36 / 56

Vaovao tsara izany ! fa aoka tsy hiteraka tahotra ho anao nanala zaza tsy akory ! fa raha sanatria ka miteraka tahotra izany , dia enga anie ho tahotra an’Atra satria mbola fotoana ahafahantsika mibebaka izao anio izao. )

5. Misy famonoan-jaza tantarain’ny Baiboly ! Vonoin’ny olona hoan’ny Devoly ny zaza …

Raha eken’ny Baiboly fa « olona » ny zaza ao ankibo, dia voaaron’ilay didy folo koa izy izay milaza manao hoe « Aza mamono olona »

Maro ireo firenena na foko na fivavahana izay mamono zaza hatao fanatitra mba azahaoana sitraka na famelan-keloka amin’ny sampiny (fantatsika fa Devoly) Ny tao kanana ohatra dia nisy an’i Molok (sampin’ny amonita, Bala hoan’ny Fenisiana, Kemok hoan’ny Moabita,) Vakio Deot 18 :9-10 – Lev 18 :21 - Jer 7:30-31 et 32:34-35, ary na eto Mkara aza dia matetika no heno fa misy manao sorona zazakely mba azahoana fiarovana sy fitahiana. Nefa ambaran’I Jehovah eto mihintsy fa tsy nampanao an’izany Izy

Ny loza anefa dia nanahaka izany fomba ratsy izany ny Jiosy na ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny !, amin’ny fomba ahoana hoy ianao ?

Mamono aina hatao sorona ! hiarovana voninahitra sy haja ary fiadanana. !

Nohon’ny tahotra olom-belona, na fitiavana voninahitra, na fitiavan-tena malain-kisahirana, na mety lazaina fa fiarovana ny voninahitr’Andriamanitra, sns dia misafidy na mamporisika hanala zaza ny olona. Mifanohitra amin’izany anefa ny fivavahana Kristiana izay manolotra ny aina,sy manaiky ho afa-baraka, manaiky hiafy sy hisahirana, eny ho faty mihintsy aza mba hamonjena ny ain’ny hafa ! tahaka ny nataon’I Jesosy Kristy

Ny famporisihina fanalan-jaza na fankasitrahana izany, na inona endriny na inona dia mitovy lenta amin’ny fankasitrahana ny fanaovana sorona ny aina hoan’ny devoly , mba hitazomana harena, na fitazomana ny voninahitra tsy ho rava ! mety hisy amintsika ohatra no manameloka ny mpanompo sampy izay mangalatra sy mamono zaza hatao sorona azahoana harena, kanefa kosa manaiky sy minia mikimpy eo anoloan’ny « fanalan-jaza » hiarovana voninahitra! Tena tafiditra ao anatin’ny fandriky ny devoly ihany isika raha sanatria manao izany !

Aza hadino fa Andriamanitra no namorona ny zaza ao ankibo, ary tsy azontsika vonoina ny zavatra nohariany ! (Jeremia 1 :5); ary “aina no ho solon’ny aina raha maha afaka zaza ao ambohoka” (Eks 21:22-25)

Page 37: SEKOLY SABATA TANORA - tomima.o.t.f.unblog.frtomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-manorina... · Ny amin’i Jesosy Kristy marina, ny sabata, ny Fitafiana Kristiana, ny fiteny

Brouillon / ZOKY ANDRY « Manorina ambony vatolampy » Pejy faha 37 / 56

Maro ireo antony mety hambara fa ahafahana manala zaza (mamono olona) toy ny hoe “zanaky ny fijangajangana e!; tsy zaza niriana e! mety ho zaza vokatry ny fanolanana mihintsy aza, saingy tsy ampy hamonoana olona na hanaovana sorona ny ain’olon-kafa (zaza) tsy manantsiny izany!

Fa na I Davida aza dia nivaky fa tamin’ny fahotana (mety ho fijangajangana satria tsy fijangajangana akory ny firaisana ara-nofo hoan’ny mpivady) no notorotoroina azy ny reniny Vakio Sal 51:5

Aina solon’ny aina ! (Eks 21:22-25)

Raha misy olona mahafaka ny zaza ao ankibon’ny olona mitoe-jaza na bevohoka ; dia milaza ny Soratra Masina fa AINA iny! Ary honoeran’ilay nahafaka azy….

Azontsika antsaina ankehitriny fa tena tahaka ny mamono “olona lehibe mirijarija”, ny famonoana na fanesorana ny zaza ao ankibo , na inona na inona endriny !

Mety hisy famelan-keloka hoan’izay voakasik’izany ve ?

Eny! Mbola misy! Vakio Salamo 32:3-5 “ ekeo amin’Andriamanitra ny heloka, (tsy eo anatrehan’ny olona tsy akory no voalaza eto ! ;mila fahendrena io resaka io) , ary minoa azy fa raha miaky ny helotsika tokoa isika dia hamindra fo sy hamela heloka Izy ! Marina fa hiampanga antsika andro aman’alina ny Devoly satana, hoe “ianao efa nanala zaza, na namporisika na nankasitraka izany” kanefa vakio ny

Zakaria 3:1-7, ho hitantsika fa hain’Andriamanitra sy zony ny mamela ny helotsika, eo anatrehan’ny fiapangan’ny Devoly!

Fa andriamanitra tsy mijery ny andron’ny tsy fahalalàna! Koa anio, raha hihaino ny feony isika, aza manamafy ny fontsika! Fitiavan’andriamanitra no anton’ity lesona ity !

Matokia ny Tompo, fa na dia potraka aza ianao dia hanarina anao ny

Tompo ! Raha miaky ny helokao ianao, Ho antsika rehetra kosa izay tsy mba

nanao izany fahotana izany dia tsotra ny hafatra; Aza mamono olona! Ary Aza

mijangajanga ! Hoy ny Soratra Masina

Tapitra ny lesona faha 06

Page 38: SEKOLY SABATA TANORA - tomima.o.t.f.unblog.frtomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-manorina... · Ny amin’i Jesosy Kristy marina, ny sabata, ny Fitafiana Kristiana, ny fiteny

Brouillon / ZOKY ANDRY « Manorina ambony vatolampy » Pejy faha 38 / 56

Dragona

Lesona faha 07

NY TOMBO-KAVATSA Fampidirana: “…Manan-janaka vavikely anakiroa izahay, ny zavatra matetika ambaran’ny namana na ny havanay isaky ny mahita ireo zanakay ireo dia ny manotany anay foana hoe “fa maninona ny zaza no tsy tevehinareo? Aza terena hanaraka ny fomba fivavahanareo ny zaza fa mampalahelo!” dia avaliko matetika anefa dia hoe “aleo tsy terena tevehana ny zaza, fa rehefa lehibe izy ka mifidy ny hitevika sy hikavona dia safidiny izany!” satria anisan’ny etikan’ny fiangonana FAM ihany koa ny tsy fanaovana kavona na firavaka isan-karazany…” ZK Andry NY TOMBO-KAVATSA (Tatouages)

Amin’izao fotoana izao dia manomboka mahazo vahana indray ny fanaovana tombo-kavatsa sy ny tevika eo anivon’ny fiaraha-monina, Manoloana izany dia manotany tena ny ankamaroan’ny tanora, eny na ny tanora Kristiana aza hoe: mety ve ny manao tombo-kavatsa sy ny mitevika hoantsika

Kristiana izay efa nandray an’I Jesosy Kristy? Avy aiza moa ny tombo-kavatsa (Tatouages)? Efa 2000 taona talohan’i Jesosy Kristy no efa nisy ny fanaovana tombo-kavatsa, Anisan’ny nanao azy ny « mpanakanto sy vehivavy mpandihy Ejiptiana” fahizay, ny foko Mayas any amerika atsimo, ny “apaches” sasan-tsasany mponina tany Amerika fahiny ihany koa. Taty aoriana kosa ny Jiolahi-tsambo sy ny Grika ary ny Romana no tena nampiasa azy betsaka: nasiana tombo-kavatsa ny andevo mba ahafantarana azy sy ahalalana azy ihany koa raha sendra mandositra na miavo-tena izireo. Ny mpanandevo olona tety Afrika sy Amerika ary tany amin’ny « Tany antsinanana » (Orient) koa dia anisan’izay nampiasa azy betsaka:

• Raha tsorina dia ny mpanao ratsy sy ny andevo no nasiana na asaina manao tombo-kavatsa, mba ho marika fa tsy azy ny tenany fa an’izay tompon’ny marika. Ny tombo-kavatsa dia mariky ny tompo izay tompoina.

• Amin’ny maha marika azy izay dia nampiasain’ny “foko” baribarianina fahiny koa ny tombo-kavatsa mba hifankafantarana, ho mariky ny fianakaviana na ny foko misy ilay olona

• Ny tombo-kavatsa ihany koa dia miendrika “zava-kanto” kanefa mifono hevitra lalina, satria mety ho marika miafina, na mariky ny “fifanarahana miafina” nifanaovana tamin’ny herin’ny maizina izireny, na marika maha mpikambana tahaka ny entin’ny fikambanana “Mafia” sy ny “Samoraî”, Tahaka ny “etikety” ankehitriny izany ny tombo-kavatsa.

Page 39: SEKOLY SABATA TANORA - tomima.o.t.f.unblog.frtomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-manorina... · Ny amin’i Jesosy Kristy marina, ny sabata, ny Fitafiana Kristiana, ny fiteny

Brouillon / ZOKY ANDRY « Manorina ambony vatolampy » Pejy faha 39 / 56

Dragona –Menarana- Devoly –Satana , iray ihany izany !

Tsy azo atao ny mitondra marika na mitafy izany endrika izany

Fa maninona ny tanora ankehitriny no manao tombo-kavatsa? Tsy fantatry ny tanora ankehitriny akory ny tena dikan’ny tombo-kavatsa, fa ny fanaovan’izireo tombo-kavatsa ankehitriny dia heveriny fa:

• Fanoherana ny tsy rariny izay haveriny fa manjo azy • Fisehoana ho “mafy be” na “Degany” hoy isika tanora, • Mba azahoana “fanajana” sy fitsiriritana avy amin’ny

namana • Mba ho fanaingoana ny vatana sns…

Ahoana hoy ny Soratra Masina: Lev 19:28 “Ary aza mitetika ny tenanareo noho ny maty, na manao tombo-kavatsa amin'ny tenanareo: Izaho no Jehovah” "Vous ne ferez point d'incision dans votre chair pour un mort, et vous n'imprimerez point de figures sur vous. Je suis l'Eternel.".

Araka izany dia tsy azo atao mihintsy ny manao tombo-kavatsa hoan’ny vahoakan’ Andriamanitra, ireo mpanompo sampy no mpanao izany, satria heveriny fa miaro azy ireny marika isan-karazany mipetaka eny amin’ny tenany ireny. Ary ny ra latsaka (na kely na lehibe) mandritra ny fanaovana ireny tombo-kavatsa ireny dia tahaka ny fifanekena na pacte, izay azon’ny Satana « samborina » ho azy.

Na tsy mieritreritra izany akory aza ireo mandatsa-drà ny tenany mandritra ny fanaovana tombo-kavatsa. (Ny mpilalao ody sy ny mpandala ny « sorcellerie » dia mahalala izany tsara.) Ary mahalala tsara ny fanahy maloto fa matetika dia tsy voakosoka mandra-maty ny tombo-kavatsa, fa marika entina mandrapahafaty.

Iza no tompoiny? Marika iza no entiny?

Misy heviny sy ampiasain’i Satana ireny marika ireny

• Tanam- bokovoko : midika fahafatesana • Ny dragona sy ny liona, bibilava: maneho

an’i satana devoly • Ny zazavavin-drano : maneho an’I satana

devoly • Ny karan-doha maneho fahafatesana ara-

panahy • Ny biby maro samihafa milaza toetra sy

fanahim-biby arakaraky ny sary • Ny raozy misy tsilo maneho ny tsilo

nisatrohan’I kristy • Sns

Fihatraikany ara-panahy

Eo amin’ny lafiny ara-panahy dia mety ho « varavarana na antenne» ifandraisan’ny satana amintsika ny marika eny amintsika, Tsy ho vita

Page 40: SEKOLY SABATA TANORA - tomima.o.t.f.unblog.frtomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-manorina... · Ny amin’i Jesosy Kristy marina, ny sabata, ny Fitafiana Kristiana, ny fiteny

Brouillon / ZOKY ANDRY « Manorina ambony vatolampy » Pejy faha 40 / 56

Tompon-daka eran-tany amin’ny tevika (Ohatry ny miantso vonjeo izany ny fijery ny masony sa ahoana ?)

moramora kosa izany hoe mametraka sarin-devoly na marika majika amin’ny vatana izany, sady misy rà latsaka (fa tahaka ny manao sorona na “pacte” ihany izany raha ara-panahy), Na dia manana endrika Kristiana aza ireny sary ireny (mety hoe sarin’I Jesosy (iza anefa no efa nahita ny tena endriny ?) na Baiboly, na tanam-bokovoko sns, dia mbola voararan’ny Levitikosy 19:28 hatrany ny fanaovana azy. Misy fihatraikany amin’ny toetra sy fihetsika ataontsika andavan’andro ireny marika ireny, fa isika tsy mahatsapa izany. Mety ho lasa jejo isika (sary eo amin’ny vatana ve dia hafenina indray fa tsy haderadera?) na mirehareha na mahery setra na mpanohitra be fahatany, na mpijanganjanga sns) Mety tsy tonga saina akory isika hoe misy “heviny sy heriny” ara-panahy anie ireny marika apetaka amin’ny vatantsika ireny, fa isika no tsy mahalala ka sady voafitaka isika no azon’ny devoly sambo-belona. Matetika ny akamaroan’ny olona eny amboalohany dia nihevitra fa hoe sary kely iray na roa dia ampy, Nefa avy eo dia misy « fanahy » mamporisika ny olona hanova, na hanampy hatrany ny marika eo amin’ny vatany, ka tsy tonga ao antsainy akory ny hijanona raha tsy efa rakotra « marika » ny vatany manotolo. Inona no tokony hatao raha toa ka nanao tombo-kavatsa? Mibebaka sy mangata-pamelana! Marina fa sarotra esorina ny tombo-kavatsa, kanefa azontsika atao tsara ny miverina amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fifonana, satria Jehovah tsy mijery ny andron’ny tsifahalalàna.

NY TEVIKA SY NY FIRAVAKA “Koa ankehitriny, esory ny firavakao hiala aminao,mba ho fantatrao izay hataoko aminao » Eks 33 :5 A. FAMPIDIRANA: Mety hananosarotra amintsika ny handray ity lesona ity satria efa maro amintsika no mitevika (voalavaka ny faritry ny vatana). Kanefa na izany aza dia horesahina ihany ny lesona satria ho fitsinjovana ny zandry sy ny taranaka rahatrizay izy ity: Avy aiza moa ny tevika?

1. Ny fanaovana lavaka amin’ny vatana (sofina, orona sns) dia fomba nolovaina tamin’ny razam-be fahiny, izireo dia nanana ny fomba fivavahany izay “miteti-tena” na “mitetika” hoy ny fiteny, izany hoe didiana amin’ny zava-maranitra ny vatana ary iny rà latsaka iny no atao “pacte” na fifanarahana amin’ny fanahy maloto, avy eo dia hosorana fanafody iny faritra

Page 41: SEKOLY SABATA TANORA - tomima.o.t.f.unblog.frtomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-manorina... · Ny amin’i Jesosy Kristy marina, ny sabata, ny Fitafiana Kristiana, ny fiteny

Brouillon / ZOKY ANDRY « Manorina ambony vatolampy » Pejy faha 41 / 56

iny na asiana marika (vy, kavina, taolana sns) mba ilazàna fa efa “vita fomba” ilay olona!

2. Ny tevika ihany koa dia marika fa tsy tompon’ny tenany ilay olona fa manan-tompo (andevo), Vakio (Eks 21:5-6)

3. Fahiny koa dia nolavahana ny vatana mba natao hitoeran’ny firavaka ,na hoan’ny lehilahy izany na hoan’ny vehivavy… ary na ny zanak’Israely aza dia mba nanao izany koa fahiny (nikavona, niravaka volamena sy vatosoa sns, araho ireto tantara manaraka ireto dia ho mazava amintsika ny tiana hambara). B. MISY IFANDRAISANY AMIN’NY FIVAVAHANA NY KAVINA: Gen 34 – Gen 35 -4 Vakio tsara sy diniho mialoha ity tantara ao amin’ny Baiboly ity Fampidirana:

Jakoba dia nonina teo anivon’ny kananita fahiny, ary nisy fotoana aza ny zanany vavy anakiray antsoina hoe Dina no nandrian’ny kananita (Sekema), tsy nanaiky mora izany ireo zanakalahin’I Jakoba ka na dia noforana aza ireo fianakavian’I Sekema dia mbola novonoin’ny zanakalahin’I Jakoba ihany, satria fady indrindra teo amin’ny zanak’I Jakoba izany hoe anaovana firaisana alohan’ny fanambadiana izany. Araka ny tenin’ny anadahiny hoe “moa ny anabavinay va atao ho toy ny vehivavy janga?”

o Rehefa matin’ny zanakalahin’I Jakoba avokoa ireo kananita sy perizita

mpiray tanana tamin’I Sekema dia natahotra mafy Jakoba sao hamaly faty ny Kananita sy ny Perizita,

o Nanome toromarika azy Jehovah mba hiala lavitra ny toerana misy ny Kananita sy ny Perizita, ary hiverina hanompo Azy any (hanao alitara sns)

Nanapa-kevitra hanaraka ny toromarik’I Jehovah I Jakoba ka nanao tamin’ny fianakaviany hoe:

Ario ny andriamani-kafa eo aminareo Ovay ny fitafinareo (ovay ny “pôzinareo” hoy ny fiteny tanora, paozy inona ary izany nila novàna izany?)

Rehefa izany dia nanaiky ny hanompo an’I Jehovah avokoa ireo mpanompo sy mpanaradia an’I Jakoba, araka ny voasoratra hoe “dia natolony teo amin’I Jakoba ny “Andriamani-kafa rehetra izay notanany sy ny kavina teny antsofiny” Gen 35:4 Ny mpanaompo sampy no (kananita sy ny perizita) mpanao kavina!

Araka izany dia tena fomba Jentilisa (Perizita sy ny Kananita, Ejyptiana sns) ny manao kavina, ary fomba ara-pivavahana narahin’izireo izany, fantatr’I Jakoba tsara fa Jehovah no tena andriamanitra, ary rehefa hivavaka amin’I Jehovah dia tsy afaka mitahiry sampy sy kavina ”. Izany hoe ny kavina tamin’izany dia marika kely (symbole) misy ifandraisana amin’izay sampy nivavahana, karazana “sampy fanao am-paosy”.

Page 42: SEKOLY SABATA TANORA - tomima.o.t.f.unblog.frtomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-manorina... · Ny amin’i Jesosy Kristy marina, ny sabata, ny Fitafiana Kristiana, ny fiteny

Brouillon / ZOKY ANDRY « Manorina ambony vatolampy » Pejy faha 42 / 56

Fa taty aoriana dia mbola niverina nikavina indray ny taranak’I Jakoba, izay nantsoina taty aoriana hoe “Zanak’israely”, araho indray ity tantara manaraka ity… C. ILAY OMBY VOLAMENA VITA AVY TAMIN’NY FIRAVAKA Fanamarihana kely: Ity tantara ity dia tantara anakiray izay nitranga tamin’ny zanak’Israely fony izy nivoaka avy any Ejipta. Tsaroana eto ihany koa fa tantara nampianarin’ny Rny Raveloson Pierrot izy ity indray Sabata taona 1999-2000 teo antsavatsava itaosy, ary nahakasika indrindra ny tsy anaovan’ny fiangonana FAM firavahana (Kavina, Tangy, Rojo sns) Vakio ranoray ny Eks 32:1-35 1. Tsy andriny I Mosesy: (And 1)

Rehefa lasa nanantona an’I Jehovah tany antendrombohitra I Mosesy dia nanomboka tsy naharitra ireo vahoaka sasany, ary nimenomenona… Nony farany dia nambarany fa tsy fantatra izay manjo an’I Mosesy ka aleo manao “andriamanitra” haf hotompoina..

2. Natahotra ny olona I Arona (And 2-6)

Teo anatrehan’ny fimonomononan’ny olona dia nanaiky tsy sazoka I Arona, ary dia nanapa-kevitra samirery fa ny volamena sy ny firavaka no atambatambatra hanamborana sary omby volamena! Ary dia nambarany tamin’ny fomba ofisialy fa “io no Jehovah andriamanitra ry Israely!”

3. Tezitra Jehovah, nifona mosesy! (And 7-14)

Raha vao vita ny sampy dia nanao andro firavoravoana ny zanak’israely, ary re hatrany antendrombohitra ny horakoraka sy ny korana, Nambaran’I Jehovah tamin’I Mosesy fa efa nanao hadalàna ny olona ka tokony hidina izy.., Tezitra Jehovah teo anatrehan’ny fihetsiky ny zanak’Israely, ary nilaza izy fa handringana azy rehetra, ary hanome taranaka vaovao kosa hoan’I Mosesy, Nifona mafy anefa ity farany , ary nanaiky izany fifonana izany Jehovah… 4. Tezitra mosesy! Novakiany ny vato fisaka izay nomen’Andriamanitra azy! (And 15-20)

Tezitra Mosesy nahita ny zava-niseho, ary ilay vato fisaka voalohany teny an-tanany misy ny didy folo indray no nazerany sy novakivakiany, ary tsy vitan’izany ihany fa nopotehiny ho vovoka ihany koa ilay ombilahy volamena, nafafiny taminy rano ary nasainy nisotro izany ranom-bolamena izany avokoa ny olona rehetra! 5. Tezitra Mosesy, Nandainga I Arona (And 21-24)

Akory ny hatezeran’I Mosesy nahita ny fanompoan-tsampy! Raha nanotany an’I Arona izy dia nandainga I Arona ka nilaza hoe “Raha vao natsipy tao anaty afo ny firavaka sy volamena, dia nivoaka avy tao io omby io!” 6. Vaky ny ady an-trano, maro ny olona maty! (And 25-29)

Page 43: SEKOLY SABATA TANORA - tomima.o.t.f.unblog.frtomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-manorina... · Ny amin’i Jesosy Kristy marina, ny sabata, ny Fitafiana Kristiana, ny fiteny

Brouillon / ZOKY ANDRY « Manorina ambony vatolampy » Pejy faha 43 / 56

Tsy misaraka ny tombo-kavatsa sy ny tevika

Nanomboka nisavorovoro ny toe-draharaha, satria tsy nanaiky mora hanesorana sy hialàna amin’ilay ombikely ireo mpanompo sampy, Nony farany dia niantso ireo mpomba an’I Jehovah I Mosesy mba hamoaka ny sabany, ary dia raikitra ny ady an-trano, vokany: nahafatesana maro ny zanak’Israely, ary novonoin’ny mpomba an’I Jehovah ireo nifikitra nanompo sampy, eny na havany akaiky aza. 7. Tsy nety nitarika na nomba mivantana ny Zanak’Israely intsony Jehovah! Fa ny anjely no nirahiny (And 30- Toko 33: and 3)

Rehefa nilamina ny toby dia nanambara Jehovah fa tena mafy hatoka ny vahoaka, ka tsy mahavita miaraka amin’izireo intsony Izy, ary Anjely no hitarika ny Zanak’Israely fa tsy ho Jehovah mivantana intsony. Niezaka nifona hoan’ny vahoaka I Mosesy saingy tsy nahazo valiny mahafa-po! Ary ren’ny vahoaka mihintsy ny tenin’I Jehovah tsy nety hiaraka amin’ny Zanak’Israely intsony! 8. Bedy ny mpiravaka! Noesorina teo antendrombohitra ny firavaka rehetra (And 4-6)

Rehefa nitalaho teo anefa Mosesy dia nametraka “fepetra” Jehovah, tsy inona izany fa ny hanesoran’ny Zanak’israely ny firavaka teny aminy! Ary dia noesorina teo antendrombohitra avokoa ny firavaka rehetra, ary tsy nisy niravaka ny olona nanomboka teo. Ireo taranaka taty aoriana indray no niverina niravaka satria tsy nahalala na ninia nanadino ny “fifanarahana” izay nifanaovan’ny vahoakan’Andriamanitra sy Jehovah, mikasika ny firavaka izay nivadika ho sampy. Atao ahoana izany ny volamena sy ny volafotsy?

Marihina tsara fa tsy hoe fady ka nariana tsy akory ny firavaka volamena sy ny volafotsy teo amin’ny Zanak’Israely, fa harena izany ! Tsy natao

firavaka intsony kosa fa notehirizina hanaovana fanaka sarobidy, ny ankamaroany aza dia natolotra nanaovana ny tranolay fihaonana, ny Tempoly tao Jerosalema sns sns (Vakio ny andinintSoratra Masina mitantara ny nanaovana ny tranolay fihaonana …) Raha olona tsy fatoran’ny hajejoana isika dia ho mora amintsika ny mahazo ity lesona ity, fa raha mbola manana izany fahalemena izany isika dia hosahirana kosa, saingy mampahery antsika sy manafaka antsika no tanjon’ny lesona :

Aza hadino fa efa nanao fifanekena tamin’I Jehovah ny razantsika fa tsy hiravaka, ary nisy antony lehibe nahatonga izany ! Mariky ny fanorolan-tena lehibe kosa ny fandresentsika ny fijejojejoana sy ny seho ivelany ateraky ny firavahana. Afaka manavao izany fifanekena izany isika tsirairay « anio ».

Page 44: SEKOLY SABATA TANORA - tomima.o.t.f.unblog.frtomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-manorina... · Ny amin’i Jesosy Kristy marina, ny sabata, ny Fitafiana Kristiana, ny fiteny

Brouillon / ZOKY ANDRY « Manorina ambony vatolampy » Pejy faha 44 / 56

Mino izahay fa izany fanapahan-kevitra raisintsika izany dia ahatonga ny Ray andray an-tanana avy hatrany ny fiainantsika manomboka izao ; araka izay efa nolazainy hoe « koa ankehitriny, esory ny firavakao hiala aminao, mba ho fantatro izay hataoko aminao » Eks 33 :5 Fanamarihana: Manao ahoana hoy ny Testamenta vaovao?

o Tsy misy milaza mihintsy ao amin’ny testamenta vaovao fa hoe nikavina ny Kristiana, Ny teny hoe “Kavina” aza dia tsy voasoratra ao mihintsy.

o Ny hany firavaka nandeferan’ny Soratra Masina kosa aty amin’ny testamenta vaovao dia ny peratra… kanefa izany akory tsy midika hoe “tsy maintsy manao peratra ny Kristiana”

Hafatra: Jaona 8:31-32 “Dia hoy Jesosy tamin'ny Jiosy izay nino Azy: Raha maharitra amin’ny teniko hianareo, dia ho mpianatro tokoa; ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo”. Ry tanora, mety ho zava-baovao amin’ny taranaka (Géneration - Promotion) misy antsika ity lesona mikasika firavaka sy kavina ary tombo-kavatsa ity, saingy misy antony ara-panahy sy fitaizana matoa Jehovah Ray no sarotiny amin’ny zavatra toa izany, tsy zava-baovao akory ny tombo-kavatsa sy ny firavaka na ny kavina, fa ireo mpanompo sampy no efa nampanaovin’ny fanahy maloto ireny zavatra ireny hatramin’izay. Efa mahalala ny MARINA ianao ankehitriny, koa ny marina tokoa anie “hanafaka anao tsy ho andevo…”

Tapitra ny lesona faha 07

Page 45: SEKOLY SABATA TANORA - tomima.o.t.f.unblog.frtomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-manorina... · Ny amin’i Jesosy Kristy marina, ny sabata, ny Fitafiana Kristiana, ny fiteny

Brouillon / ZOKY ANDRY « Manorina ambony vatolampy » Pejy faha 45 / 56

Lesona faha 08 NY DIDIN’ANDRIAMANITRA

Adihevitra mandalo amin’ny fiainan’ny Kristiana ity resaka didy sy lalàna ary fahasoavana ity, hiezaka isika hamakafaka tsotra ny manodidina izany lohahevitra izany eto, marihina mialoha fa hamaky ny Baiboly tokoa isika ary hijery andalan-tsoratra Masina marobe, satria tenin’Andriamanitra tsinona no resahina! 1. Ny didin’Andriamanitra ve azo foanana na anesorana? Lio 16.17 - Sal 89 :35 – Sal 111 :7-8 - Mal 3 :6 Hoy ny Ray hoe « tsy miova Aho, ny fanekeko tsy tsoahako, ary ny lazain’ny molotro tsy tsoahako,… mahatoky avokoa ny didiny ary mitoetra mafy mandrakizay.. ; »

Tsy fanao mihintsy ny manova didy navoaka, raha mandinika ny Soratra Masina isika dia mahita fa mpanjaka telo (Aseroisa, Daroisa, ary Heroda) no niezaka nanova ny didy efa navoakany saingy tsy afaka nanao izany izy. Mainka fa Andriamanitra ve dia hanova ny lalana izay « nosoratan’ny tanany, voamarika tambony vato» ?tsy azo inoana izany ! 2. Ny Lalàna dia endrik’Andriamanitra ! Raha mandinika ny asasoratry ny mpanoratra anakiray ianao dia ahatsapa hoazy ny toetrany sy ny fisainany, torak’izany koa ny mpanakanto maro… Indreto aseho antsika etoana fa MANEHO an’Andriamanitra ny lalàna sy ny didy izay navoakany :

Andriamanitra dia

Ny didy sy ny lalana dia

I Jao 4:8 – FITIAVANA – AMOUR Rom 13:10 Isa 5:16 – MASINA – SAINT Rom 7:12 Deo 32:4 – MARINA – VERITE Sal 119:142 - 151 Mat 5:48 – TANTERAKA (tsy misy tsiny)

PARFAIT Sal 19:8

Deo 32:4 – MAHITSY – JUSTE Rom 7:12 I Jao 3:3 – MADIO – PUR Sal 19:8 Lio 18:19 – TSARA – BON Rom 7:12 Eks 9:27 – MARINA – MAHITSY - DROIT Sal 19:9 Jao 4:24 – FANAHY – SPIRITUEL Rom 7:14 Mal 3:6 – TSY MIOVA – IMMUABLE Mat 5:18 Gen 21:33 – MANDRAKIZAY – ETERNEL Sal 111:7-8

Tsy azo ovana ny lalàn’Andriamanitra satria endriky ny toetrany maha Izy azy (caractère), Ny Soratra Masina dia maneho an’Andriamanitra, maneho ny Didiny sy ny lalàny ihany koa, Ny fanovàna ny didin’Andriamanitra dia midika fanovàna an’Andriamanitra mihintsy.

3. Atao inona anefa ny lalàna?

Page 46: SEKOLY SABATA TANORA - tomima.o.t.f.unblog.frtomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-manorina... · Ny amin’i Jesosy Kristy marina, ny sabata, ny Fitafiana Kristiana, ny fiteny

Brouillon / ZOKY ANDRY « Manorina ambony vatolampy » Pejy faha 46 / 56

Io no fanotaniana tsara apetraka rehefa miresaka ny lalàna isika, Ny fisian’ny didy sy ny lalàna no mampivoitra (ahitana) ny fisian’ny fahotana na ny fahadisoana, (ota ny fandikan-dalàna I-Jao 3:4), izany hoe ilaina ny lalàna mba hamantaran’ny olona ny fahadisoany ka hialàny amin’izany. Hoy I Paoly “Raha tsy misy lalàna dia tsy nahalala ota (fa nanota) aho” Rom 3:20).

Tahaka ny olona anakiray izay mijery ny tarehiny amin’ny fitaratra, dia manao ny “anjara asan’ny fitaratra” ny lalàna, izany hoe mampiseho antsika izy raha meloka isika na tsia! (na misy hokianina na tsia). Raha sanatria ka tsy mety mijery fitaratra isika na “potehintsika” ny fitaratra dia tsy ho fantantsika akory ny fahotantsika. Tsy mahavonjy na iza na iza anefa ny lalàna, saingy mampahafantatra antsika ny fahotantsika izy ka mahatonga antsika hitady famonjena, mampiseho mibaribary fa “marina sy masina ary mahintsy” Jehovah Andriamanitsika, fa isika kosa no manao diso. Vakio Rom 7:7 4. Iza no mankahala ny Didy sy ny Lalàna? Araka izany dia halan’ny Devoly satana ny lalàna, satria mahatonga saina ny mpanota izy, ka mampihiratra ny masony, mampahalala azy ny fahadisoany, raha samy mahalala izany avokoa ny Kristiana dia ahafantatra hoazy hoe fanahy inona no mitaky ny fandravàna ny lalàna na manely tsaho fa efa rava ny lalàna? Fanahy masina ve sa fanahy maloto? 5. Jesosy koa ve mba nitandrina ny Didin’Andriamanitra (Didy folo)? Eny ! Vakio ny Jaona 15:09-10 sy ny I-Pet 2:21 Jaona15:9-10: “Tahaka ny nitiavan'ny Ray Ahy no nitiavako anareo; tomoera amin'ny fitiavako hianareo. Raha mitandrina ny didiko hianareo, dia hitoetra amin'ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didian'ny Raiko sy ny itoerako amin'ny fitiavany”. 6. Fa inona moa no tambin’ny Ota? Ny fahafatesana no tambin’ny ota!

Rom 6: 23 Ary matoa Jesosy nanaiky hibaby ny valin’ny fahotantsika rehetra, dia manaporofo izany fa tsy azo ovana ny lalàna. Izy ve dia hanaiky ho faty eo raha azony novàna ny lalàna? (izay manao hoe “ota ny fandikana lalàna, ary fahafatesana no tambin’ny ota?)

7. Natao hitandrina ny didy folo ihany koa ny Kristiana: Mat 19:17 “Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no anontanianao ny amin'izay tsara? Iray no tsara; fa (ary) raha te-hiditra any amin'ny fiainana hianao, tandremo ny didy”. 2 Jao 6: “Ary izany ny fitiavana, dia ny handehanantsika araka ny didiny. Izany no didy, tahaka ny efa renareo hatramin'ny taloha ihany, dia ny handehananareo aminy”.

Page 47: SEKOLY SABATA TANORA - tomima.o.t.f.unblog.frtomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-manorina... · Ny amin’i Jesosy Kristy marina, ny sabata, ny Fitafiana Kristiana, ny fiteny

Brouillon / ZOKY ANDRY « Manorina ambony vatolampy » Pejy faha 47 / 56

Apo 14:12 “Indro ny faharetan’ny OLONA MASINA dia izay mitandrina NY DIDINY sy ny Filazana AN’I JESOSY KRISTY”

8. Azahoana famonjena ve ny fitandremana ny lalàna? Tsia! Tsy mitandrina lalàna azahoana famonjena isika Kristiana, fa kosa mitandrina ny lalàna satria nahazo famonjena. Ary ho fankasitrahana izany famonjena noraisina maimaim-poana izany, sy ho mariky ny fitiavantsika ilay namonjy antsika no mahatonga antsika hitandrina ny lalàna (Jao 14:15 “izay tia Ahy, mitandrina ny didiko”) Fahasoavana (Grâce –na famindram-po) no namonjena antsika fa tsy vokatry ny asantsika mihintsy. Efes 2:8-9

Alaivao antsaina ity ohatra kely ity! Raha nandika lalàna isika ary voaheloka, nahazo “famindram-po” anefa isika ka avotra soamantsara ihany, dia hiverina handika ilay lalàna teo indray ve isika? Satria hoe nisy nanavotra? Tsy hitombina izany!

9. Amin’ny fomba ahoana no entina mitandrina ny lalàna?

o Ny FITIAVANA no entina mitandrina ny lalàna (Rom 13.10) o Ny FITIAVANA no hery manosika antsika hitandrina ny lalàna (Mat 22:37-39)

o Ny fanarahantsika ny didin’Andriamanitra no mariky ny fitiavantsika Azy (1 Jao 5.3)

Ny fitiavana dia « hery manosika » na “motivation” tena mahafinaritra. Ao amin’ny didy folo, Ny didy efatra voalohany dia milaza amintsika ny adidintsika manoloana an’Andriamanitra; Raha tia Azy isika dia “hatsiro” amintsika ny fanarahana ireo didiny ireo. Ny didy enina farany kosa dia milaza ny adidintsika amin’ny mpiara-belona amintsika, raha tena manampitiavana ny hafa tokoa isika, dia “mahafinaritra” antsika ny mitandro tsy hanisy ratsy azireo.

10. Mety ho Krisitana marina ve nefa tsy mitandrina ny didin’Andriamanitra? 1 Jao 2: 3-4 Ary izao no ahafantarantsika fa mahalala Azy isika, dia ny fitandremana ny didiny. Izay manao hoe: Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsy ao anatiny.

11. Misy lalàna fahiny izay tsy mahakasika ny Kristiana intsony tokoa ve ? Eny misy tokoa ! Araka ny nambara tamin’ny Efesiana 2 :15 manao hoe : « Fa tao amin'ny nofony no nandravany ny fandrafiana, dia ny lalàna misy didy natao hotandremana, mba hanakambanany antsika roa tonta ao amin'ny tenany ho olom-baovao iray, ka hanaovany fihavanana »,

Page 48: SEKOLY SABATA TANORA - tomima.o.t.f.unblog.frtomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-manorina... · Ny amin’i Jesosy Kristy marina, ny sabata, ny Fitafiana Kristiana, ny fiteny

Brouillon / ZOKY ANDRY « Manorina ambony vatolampy » Pejy faha 48 / 56

Ireo lalan’i Mosesy (« paika sy lalàna momba ny fanaovana fisoronana ») dia rava teo amin’ny hazo fijaliana tokoa, Ny lalam-pisoronana dia « tandindon’i Kristy » ary rehefa tonga izy dia notanterahiny mivantana avokoa ny zavatra rehetra, Noho izany dia tsy manan-kery intsony ny lalanan’ny fisoronana fa tapitra) - Araka ilay voasoratra hoe « Ary Izy hampitsahatra ny fanatitra alatsa-drà amin’ny antsasaky ny herinandro » Dan 9 :27

Fehiny: Hitantsika eto fa natao hitandrina ny didin’Andriamanitra ny Kristiana, Satria ilaintsika ny didin’Andriamanitra mba hampiseho antsika ny fahadisoantsika. Na izany aza anefa dia tsara ny manavaka ny didin’Andriamanitra amin’ny lalanan’I Mosesy. Ireo lalàna anakiroa ireo no hidirantsika lalindalina kokoa aoriana kely ao.

Tapitra ny lesona faha 08

Page 49: SEKOLY SABATA TANORA - tomima.o.t.f.unblog.frtomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-manorina... · Ny amin’i Jesosy Kristy marina, ny sabata, ny Fitafiana Kristiana, ny fiteny

Brouillon / ZOKY ANDRY « Manorina ambony vatolampy » Pejy faha 49 / 56

Lesona faha 09 NY ZAVA-MAHADOMELINA sy ny FIAINANA KRISTIANA

Fampidirana :

“Tamin’ny lanonana alin’ny « sortie de promotion »ny zandrinay vavy aho no nisotro toaka voalohany sady farany, iray vera no nosotroiko, Nony madiva haraina iny ny andro dia niteny tamiko ilay zandriko lahy niaraka taminay hoe « ahoana koa ireny « pasinareo » ireny ry zoky ? Toa nitsangana be teo ambony latabatra mihintsy ianareo tamin’ny alina? Kanefa tsy nisy tsaroako mihintsy izay nitranga sy nataoko ny alina tontolo! Ny hody malaky any an-trano no nahamaika ahy raha vao naheno an’izany satria menatra ireo olona manodidina anay teo aho » ZK Andry

Asa raha mba efa nisotro toaka ianao, na te hisotro toaka, fa mikasika ny zava-mahadomelina isan-karazany ity lesontsika manaraka eto ity, azo atao ve ny misotro toaka ? ny mifoka sigara na rongony ? inona no mety ho vokany , ahoana hoy ny soratra masina ? NY ALIKAOLA I. INONA MOA NY ALIKAOLA? a. Ny alikaola dia azo avy amin’ny

1. “Fermentation”: fahalovan’ny zava-maniry misy taha-tsiramamy betsaka (toy ny fary, ny betrave sns) (fermentation des vegetaux riche en sucre). Raha lomana ho lo ny ranomboaloboka dia ho lasa divay..

2. “Distillation” izany hoe “ampangotrahina ny zava-mamy anakiray, ary tatavanina hivadika ho rano (alikaola) ilay fangaron’entona mivoaka avy aminy

3. Mety azahoana alikaola ihany koa ny voa-maina isan-karazany fa tsy voatery ho ny zava-mamy ihany.

b. Ny resaka “degre-alikaola” Ny tahan’ny ethanol (alcool pure) ao anaty zava-pisotro anakiray no manome ilay hoe “degree”; izany hoe

• Ao anatin’ny toaka 12° iray litatra dia misy alikaola tsy mifangaroharo (alcool pure): 0.12 litatra

• Ao anatin’ny whisky 40° iray litatra dia misy alikaola tsy mifangaroharo (alcool pure) : 0.4 litatra

II. INONA NO VOKATRY NY TOAKA AMIN’NY VATAN’NY OLOMBELONA? a. Tsy levona mihintsy ny alikaola.

o Ny alikaola dia tsy mba levon’ny fandevonan-kanina mihintsy fa rehefa miditra ny lalan-kanina dia mandeha mivantana any anaty rà, Minitra vitsy avy eo fotsiny dia manenika ny vatana sy ny taova iray manotolo

Page 50: SEKOLY SABATA TANORA - tomima.o.t.f.unblog.frtomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-manorina... · Ny amin’i Jesosy Kristy marina, ny sabata, ny Fitafiana Kristiana, ny fiteny

Brouillon / ZOKY ANDRY « Manorina ambony vatolampy » Pejy faha 50 / 56

ny alikaola, rehefa izay dia mivoaka ho “entona” izy ary levona rehefa afaka ora maromaro.

o Raha sady misotro toaka kanefa tsy misakafo dia haingana kokoa ny

fahamamoana. b. Ny vokatry ny fisotroana alkaola eo noho eo:

• Fahamamoana (maso mamitaka, sofina mamitaka , saina mamitaka sns)

• Fikorontanan’ny taovam-pandevonan-kanina (mangotika, mivalana) • Aretin’andoha • Salebolebo te handoa • Fandoavana

c. Tsy mitovy ny rehetra eo anatrehan’ny alikaola:

Tsy mitovy ny vaika sy ny vokatry fisotroana alikaola amin’ny olona tsirairay, samy hafa ny lehilahy sy ny vehivavy, arakaraky ny vatany, ny herin-tsainy, ny fotoana hisotroany sns, misy mora mamo sy marary kokoa raha oharina amin’ny hafa.

d. Ny loza mitatao ateraky ny fisotroana toaka: 1. Mihena ny fitandremana (vigilance):

Mora iharan-doza satria tsy miasa ara-dalana ny maso sy ny sofina ny vatana manotolo mihintsy aza

2. Tsy mahafehy tena:

Tsy voabaiko ny vatana (manao maloto, tsy afa-mamindra sns), Mahery setra, mamono olona, manao fanolanana, mamono tena sns

3. Mora iharan-doza:

Tia mihantsy, sahisahy, kanefa tsy afaka miaro tena akory, (mety hisy hamono, misy hanolana, misy manendaka sns)

e. Ny loza hanjo ny mpisotro toaka lava (risque à long terme):

• Ny homamiadana (cancers) manjo ny vava, ny tenda, ny lalan-kanina

• Aretin’aty, aretin’ny sarakaty, aretin-koditra. • Aretin’ny lalan-drà, aretim-po • Aretin-tsaina (sorena lava, mora kivy, mivadibadi-toetra sns)

f. Ny andevon’ny toaka:

Lazaina fa andevon’ny toaka ny olona anakiray rehefa isaky ny misotro, na isaky ny tsy misotro dia:

• Mangovingovitra • Voan’ny “crampes” • Tsy marin-toetra (mivadibadi-toetra; malahelo, sorena, falifaly be,

masiaka sns) • Simba fifandraisana amin’ny fiaraha-monina (fianakaviana, mpiara-

miasa)

Page 51: SEKOLY SABATA TANORA - tomima.o.t.f.unblog.frtomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-manorina... · Ny amin’i Jesosy Kristy marina, ny sabata, ny Fitafiana Kristiana, ny fiteny

Brouillon / ZOKY ANDRY « Manorina ambony vatolampy » Pejy faha 51 / 56

• Mandika lalàna

III. NY ALIKAOLA SY NY FITONDRANA VOHOKA: a. Mamo ny zaza!

Araka ny efa hitantsika teo aloha dia tsy levon’ny fandevonan-kanina ny alikaola fa miditra mivantana any anaty rà, ary tsy tatavanin’ny tranon-jaza ihany koa fa tonga dia mivantana any amin’ny zazakely ao am-bohoka, izany hoe mamo avy hatrany ilay zaza!

b. Mikorontana ny fitondràna vohoka:

Io fahamamoan’ny zaza io dia miteraka fikorontanana amin’ny fitondràna vohoka:

• Zaza teraka tsy tonga volana • Tsy ampy lanja

c. Mety ho sampona ny zaza!

Vokatry ny fikorotanan’ny fitomboany dia ho sampona ny zaza: • Misy taova tsy ampy na tsy tonga volana, mety ho sima vava, maso

sy sofina tsy salama, marary fo, malemy • Torak’izany koa ny ati-doha, mety ho marary saina, na tsy ampy

saina ilay zaza (bado, taraiky sns) FITAKA HOAN’NY TANORA:

Amin’izao fotoana izao dia miroborobo maneran-tany ny fanangaroana ny toaka amin’ny zava-pisotro mamy hafa, ny fanangaroana ny sodas amin’ny toaka, ny Jus na ranom-boakazo sy toaka, ireny dia tena fandrika hoantsika Kristiana tanora tokoa.

IV. NY TOAKA SY NY SORATRA MASINA:

a. Omeo toaka izay efa ho faty Oha 31:6

Fahiny dia nomena hoan’ny marary ny toaka mba ho fanalefahana ny “hirifiry” manjo ny olona marary na maratra ka tsy hita fa tsy misy azo atao aminy intsony.

b. Tsy mahazo misotro toaka ny mpisorona! Lev 10:8-10

Fady toaka ny mpisorona ary lalàna mandrakizay mihintsy izany, ny antony hoy ny soratra masina dia mahatonga ny olona hanaotao foana ny fisotroana toaka (mahatonga ny mpivavaka tsy hahay manavaka ny masina sy ny tsy masina ny fisotroana toaka), ary miteraka ny fahatezeran’Andriamanitra hihatra amin’izay mamo izany. Halan’I Jehovah ny “fahamamoana”, ahoana raha mpisorona mamo no miditra ao amin’ny efitra masina indrindra? Tsy hanaotao foana ao? Loza!

c. Tsy mahazo misotro toaka ny vehivavy mitondra vohoka Mpits 13:3-4

Page 52: SEKOLY SABATA TANORA - tomima.o.t.f.unblog.frtomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-manorina... · Ny amin’i Jesosy Kristy marina, ny sabata, ny Fitafiana Kristiana, ny fiteny

Brouillon / ZOKY ANDRY « Manorina ambony vatolampy » Pejy faha 52 / 56

Mba hampatanjaka sy ahamasina ilay zanany dia tsy navelan’ilay Anjely hisotro toaka mihintsy ilay vehivavy (manamafy izany ireo fanadihadiana ara-tsiansa izay efa nianarantsika teo aloha)

d. Mahatonga ny olona ho afa-baraka ny toaka Oha 20:1

Vakio ilay fijoroana vavolom-belona nambara teny amboalohany. e. Tsy mahazo misotro toaka ny tompon’andraikitra (responsable) toy ny

mpitarika na mpanapaka na mpanjaka (Ohab 31:4) Tsy mahagaga tokoa raha arakaraky ny maha tompon’andraikitra ny olona na azahoany toerana ambony no amporisihan’ny Devoly azy hividy sy hiliba amin’ny toaka, satria efa noresahintsika teo sy efa fantatry ny devoly fa tsy tokony hisotro toaka ireo olona manana andraikitra, na mitana andraikitra (personne à responsabilité)

f. Mahatonga ny olona hievitra ny tenany ho “mahery” ny fahamamoany

Isa 5:22 (Voafitaka tanteraka ny olona rehefa mamo)

g. Tsy misotro toaka ny Kristiana (1-pet 4:3) Indraindray dia misy ihany “te hisotro toaka na efa misotro miafina” ka te hiady hevitra fa azo atao ny misotro toaka fa tsy manao mamo, raha mahay mifehy tena sns, sy ny hoe azo atao ny misotro toaka rehefa mahalala “onony”

Iza anefa no mandrefy ny atao hoe “onony”, firy litatra na firy vera anefa moa izany hoe “antonony”. Zary ho fandrika hoan’ny Kristiana ny adihevitra ny hoe onony sy antonony izany, fa ny tsotra indrindra dia ny mifady toaka!

h. Ota sa tsy ota? Sa fahalemena? Aza asiana adihevitra! Ny fisotroan-toaka dia alahatr’I Petera hitovy kilasy amin’ireo fahalemena sy fahotana hafa toy ny fanompoan-tsampy, ny fijejojejoana sns, tena “manimba” sy fahavalon’ny fiainam-panahy mihintsy ny fisotroana toaka, fa tsy ny fimamoana ihany.

Sady araka ny soratra masina dia “taranaka voafidy sy fanjakam-pisorona” isika (1-Pet 2:9), ka noho izany, satria isika rehetra dia afaka mitondra fivavahana eo anatrehan’ny Ray avokoa (vokatry ny ràn’I Kristy), amin’ny maha mpisorona antsika rehetra , dia FADY TOAKA ny mpisorona, ny antony dia noho ireo antony be dia be efa voalaza hatrany amboalohany ireo, Fitiavan’Andriamanitra antsika tsy ho azon-doza na fandringanana no anton’izany rehetra izany. V. FA TSY NY TOAKA IHANY! Akoatry ny toaka dia maro ireo zavatra mahadomelina sy manimba ny vatantsika olombelona; toy ny :

• Sigara • Paraky • Rongony (cannabis) • Cocaine

Page 53: SEKOLY SABATA TANORA - tomima.o.t.f.unblog.frtomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-manorina... · Ny amin’i Jesosy Kristy marina, ny sabata, ny Fitafiana Kristiana, ny fiteny

Brouillon / ZOKY ANDRY « Manorina ambony vatolampy » Pejy faha 53 / 56

• Heroine • Ny fanafody mampahatanjaka isan-karazany

a. Ny vokatra ateraky ny fandraisana zava-mahadomelina:

Tahaka ny toaka ihany izy saingy mahery vaika lavitra nohon’ny toaka, izany hoe:

• Mihevi-tena ho matanjaka sy mahiran-tsaina nohon’ny olona rehetra izay olona mandray “zava-mahadomelina” ka mamony

• Mamitaka azy avokoa ny masony, ny sofiny, ny lelany sns, hany ka tratry ny lainga ny ati-dohany.

• Mahery setra sy mihantsy loza! • Falifaly amin’ny zavatra tsy misy akory, matahotra ny zavatra

tsy misy na manova ny zava-misy ho mahafinaritra loatra na mampitahotra loatra sns.

Rehefa misinda anefa ny fiasan’ilay zava-mahadomelina teo dia mifanohitra tanteraka amin’ilay tsapa teo no zakain’ny vatana, (mangatsiaka, malahelo, matahotra, kivy, marary an-doha, reraka sns) ary manjary mitady “handray zava-mahadomelina” indray mba tsy ahatsapana izany fahavoazana izany. Koa tandremo ry zandry malala! b. Torohevitra isan-karazany:

• Aza mitondra fiara raha vao nisotro toaka na kely aza. • Aza mety miditra ao anaty fiara raha avy nisotro toaka ilay mpamily. • Aza avela hitondra fiara ba moto na bycyclette ny namana raha

hitanao fa avy nisotro toaka. • Tsy mahazo misotro toaka mihintsy rehefa mitondra vohoka. • Aza miady na mifamaly amin’ny mamon’ny toaka. • Aza manaiky hisotro toaka raha vehivavy ianao ka tafaraka amin’ny

lehilahy. c. Fehiny:

Izay natoro antsika izay avokoa ny manodidina ny zava-mahadomelina isan-karazany izay faka-panahy tokoa hoantsika tanora. Araka ny tenin’I Solomona hoe “ny mahiran-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery,fa ny kely saina kosa mandroso ka voa” Oha 22:3 sy ilay teny hoe “ velarim-poana ny fandrika raha hitan’ny vorona”

Efa fantatsika izao ny fandrika mivelatra eo anoloantsika ka enga anie ka tsy hisy ho voan’izany fandrika izany intsony. Mahereza!

Tapitra ny lesona faha 09

Page 54: SEKOLY SABATA TANORA - tomima.o.t.f.unblog.frtomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-manorina... · Ny amin’i Jesosy Kristy marina, ny sabata, ny Fitafiana Kristiana, ny fiteny

Brouillon / ZOKY ANDRY « Manorina ambony vatolampy » Pejy faha 54 / 56

Lesona faha 10

NY DIDY FOLO SY NY LALAN’I MOSESY (Didy roa samy hafa)

Fampidirana: Ny lesontsika tany aloha dia nahitantsika fa natao hanaraka ny didin’Andriamanitra ny Kristiana, hitantsika koa anefa fa misy lalàna sy didy izay ambaran’ny Soratra Masina fa foana sy rava, inona izany didy izany, atao ahoana no manavaka azy roa ireo? Indro misy tabilao ahafahantsika manavaka tsara ny maha samy hafa ny didin’Andriamanitra (Didy folo) amin’ny lalàn’I Mosesy Mampiavaka Didy folo Lalàn’I Mosesy Anarany:

• Lalàn’I Jehovah Isa 5:24 • Lalana moraly, fitsipika

mifehy ny toetra sy fihetsika iainana andavan’andro,, maneho ny toetran’Andriamanitra ihany koa

• Lalan’I Mosesy • Lalana seremonialy • Manazava momba ny

fomba fivavahana (fisoronana)

Nanoratra azy

• Nosoratan’I Jehovah tamin’ny ratsan-tanany Eks 31:18

• Nosoratan’I Mosesy Deot 31:24

Nanoratana azy

• Tamin’ny vato fisaka • Tamin’ny boky

Toerana nametrahana azy

• Natao tao anaty fiaran’ny fanekena Eks 25:16

• Ny didy folo ihany no tao anatin’ny fiaran’ny fanekena I-Mpan 8:9

• Natao teo anilan’ny fiara fanekena Deo 31:26

Aranofo sa ara-panahy?

• Lalàn’ny nofo Heb 7:15-16

• Lalan’ny fanahy: Rom 7:14

Ozona sa fahafahana?

• Lalana manozona (manameloka)

Ny lalana seremonialy dia manameloka (condamner) ny olona hanatanteraka azy hatrany Kol 2:14

• Lalan’ny fahafahana: Jak 2:11-12

Mavesatra sy maivana?

Zioga mavesatra ny lalàn’I Mosesy Asa 15: 5-10

Tsy mavesatra ny didiny I Jao 5:3

Page 55: SEKOLY SABATA TANORA - tomima.o.t.f.unblog.frtomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-manorina... · Ny amin’i Jesosy Kristy marina, ny sabata, ny Fitafiana Kristiana, ny fiteny

Brouillon / ZOKY ANDRY « Manorina ambony vatolampy » Pejy faha 55 / 56

Miavaka mazava tsara ny lalàna anakiroa eto amin’ity andininy ity: 2 Mpan 21:8

Jehovah ray aza dia nanavaka tsara ireo lalàna roa ireo raha nilaza momba ny zanak’Israely: “Ary tsy hampandeha ny tongotry ny Isiraely intsony hiala amin'ny tany izay nomeko ny razany Aho, raha mba hitandrina ka hanao araka izay rehetra nandidiako azy* (Didy folo) sy araka ny lalàna rehetra izay nandidian'i Mosesy* (Lalan’I Mosesy) mpanompoko azy ihany izy”.

Rava ny lalan’I Mosesy (Efes 2:14-15)

Rehefa maty Kristy dia rava sy tsy misy antony intsony ny karazana fombafombam-pivavahana tandindon’I Kristy rehetra, triatra ny efitra nampisaraka ny efitra masina sy ny efitra masina indrindra. Eto vao mazava tanteraka ny hevitry ny teny manao hoe: “fa Izy no fihavanantsika, Izay nampiray antsika roa tonta ka nandrava ny efitry ny fisarahana, fa tao amin'ny nofony no nandravany ny fandrafiana, dia ny lalàna misy didy natao hotandremana, mba hanakambanany antsika roa tonta ao amin'ny tenany ho olom-baovao iray, ka hanaovany fihavanana, ary hampihavana antsika roa tonta ho tena iray amin'Andriamanitra noho ny hazo fijaliana, izay namonoany ny fandrafiana. Toy izany koa no hevitr’ilay voambara ao amin’ny Kol 2:14

Fehiny : Samy hafa ny lalan’i Mosesy sy ny Didin’Andriamanitra, ny lalàn’i Mosesy

dia « paika » na procedure* mandidy fombafomba entina mivavaka na mifandray amin’Andriamanitra, tahaka ny fifonana sy fanaovana sorona sns.

Tandindona manambara an’I Kristy avokoa anefa ireny fomba ireny, ary tsy manan-kery intsony rehefa maty teo ambony hazo fijaliana Kristy. Ny didy folo indray na ny didin’Andriamanitra dia lalàna moraly mamariparitra fitondran-tena sy fomba fiainana andavan’andro mba ahatonga ny mpivavaka hanana toetra (toe-po sy toe-panahy) tahaka an’Andriamanitra.

Tapitra ny lesona faha 10

Page 56: SEKOLY SABATA TANORA - tomima.o.t.f.unblog.frtomima.o.t.f.unblog.fr/files/2013/01/boky-manorina... · Ny amin’i Jesosy Kristy marina, ny sabata, ny Fitafiana Kristiana, ny fiteny

Brouillon / ZOKY ANDRY « Manorina ambony vatolampy » Pejy faha 56 / 56

MANORINA AMBONY VATOLAMPY

LISITRY NY LESONA

1 Fantatro izay inoako 2 Ny sabata 3 Ny seho ivelany ary ny fitafy mendrika ny kristiana 4 Ny eritreritra sy ny fahotana 5 Ny filàna sy ny fiainam-panahy 6 Ny fanalan-jaza sy ny etika Kristiana 7 Ny tombo-kavatsa 8 Ny didin’Andriamanitra 9 Ny zava-mahadomelina sy ny fiainana Kristiana 10 Ny didy folo sy ny lalàn’I Mosesy

TAONA FAHAROA

Boky voalohany

SEKOLY SABATA TANORA

FIKAMBANANA

APOKALYPSY ETO

MADAGASIKARA