16
1 ASSOCIATION POUR LE DEVELOPPEMENT DE L’ENERGIE SOLAIRE (SUISSE-MADAGASCAR) Fizahana takila Editorialy ……………………………………………………………………..01 Kolejy tsy miankina Aina Vinaninkarena Antsirabe ...…………………...02 Fizarana fatana tao Mahereza Antananarivo ………………………........02 Mandray an-tanana ny hoaviny ny Fokontany Antsevaseva-Befoy sy Enosy ………………………………………………………………………..03 Fanombohana ny taom-pambolen-kazo tany Andakato-Ambarazy …..03 Vonjeo ny lohasahan’i Tsaranoro ……...………………………………....04 Fisarihana ny ankizy hamboly hazo ………...…………………………...04 Andro maneran-tany iadiana amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro …….…05 Fambolena zana-kazo sy fanaraha-maso ary fikarakarana azy ….…...05 Misaotra antsika ny ADES Centre Mobile …………………………….....06 Hetsika « Mitsitsy mba haharitra » « Mampiasa tafana mitsitsy » …....07 Izany ka olona kosa !...……………………………………………………..07 Fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazon’ny faritra Atsimo Andrefana …………………………………………………………..08 Andro iraisam-pirenena ho an’ny ala ……………………………………..08 Varavarana misokatra tao amin’ny Foibe Nasionaly ADES ……….09-10 Fiofanan’ireo mpamily fiara ato amin’ny ADES …………………….…...11 Fiofanan’ireo mpanentana ADES ………………………………………...12 Fiofanan’ireo olon-tsotra mpivarotra fatana ADES ……………….....….12 ADES sy ny Ora iray hoan’ny tany …………………...……………....13-14 Fankalazana ny Ora iray hoan’ny Tany teto Antananarivo ……...….….14 Ny Tale Nasionalin’ny ADES vaovao sy ny fatana masoandro.….….…15 Lalao …………………….………………………………………...….……...15 Adiresin’ireo Ivotoerana ADES…………………………….……………….16 Valiny lalao ……………………………………………………………....…..16 Fisaorana ……………………………………………………………...…….16 Ry mpamaky hajaina, Indray andro i Marshall McLuhan dia nilaza hoe, " Tsy misy ny mpandeha ao anaty sambofiara atao hoe tany. Isika rehetra dia mpikambana ao amin'ny ekipa mampandeha ny sambofiara avokoa ”. Noho izany dia misintona ny saintsika rehetra aho ny amin’ny andraisantsika andraikitra manoloana ny tontolo iainana. Ny fiarovana ny tontolo iainana dia antsika rehetra tsy an-kanavaka, lehilahy na vehivavy, na kely na lehibe. Amin'ny fanaovana asa farafaharatsiny ao an-tokatranonao na any amin’ny toeram-piasana dia efa mandray anjara amin'ny fiarovana ny tontolo iainana izany. Ny erikerika no mahatondra-drano. Ahoana àry ny tokony hataontsinka? Mamboly zana-kazo ao an-jaridaina, hazo fihinam-boa na hafa, na mamboly izany manodidina ny birao raha toa ka misy toerana azo anaovana izany, any am-pianarana ho an'ny ankizy. Maro ireo fihetsika kely izay misy fiantraikany lehibe azo atao. Vao haingana no nandrenesana ny fanondranana sokatra marobe antsokosoko tao Betsinjaky Toliara, mampanontany tena ny antony manosika ny olona sasany hitondra ny biby amin'ny fomba toy izany. Moa ve vokatry ny fitsiriritana no manosika ny olona te-hanan-karena bebe kokoa sa olana hafa lalindalina kokoa? Araka ny voalazan'i Gandhi, " Eo amin’ny fomba itondrany ny biby no ahalalana ny fisian’ny sivilizasionina misy eo amina vahoaka iray," isika izany dia tena mbola lavitry ny lalan'ny fampandrosoana izay eken'ny Malagasy rehetra. Ireo sarina sokatra maty nodorana dia nitety izao tontolo izao Ireo habibiana ireo dia tsy manome sary tsara ho an'ny nosintsika ary indrindra ho an'ny mponina ao aminy. Voalaza fa manankarena amin'ny harena voajanahary i Madagasikara ary indrindra indrindra eo amin’ny zavamananaina isan-karazany, saingy raha jerena ireo sary ireo dia mampanontany tena hoe mbola mitombona ve izany amin’izao? "Rehefa ho tapaka ny hazo farany, rehefa ho faty ny biby farany eto an-tany, izay angamba vao ho fantatsika fa tsy azo hanina ny vola.", hoy i Sitting Bull izay tamin’ny androny. Ny volana May, izay ankalazantsika ny vehivavy sy ny reny, dia angatahana izy ireo mba hanome ohatra ho an'ny lehilahy sy ny ankizy amin'ny fiarovana ny natiora. Raha tsy manao izany isika, iza no hanao izany eo amin’ny toerantsika? Ny Mpandrindra ny ADES faritra Atsimo RAHANTAMALALA Anatolie

Fizahana takila - ades-solaire...ADES miisa 17 izay Oli-b 15 ary ny Oli-c 02, izany rehetra izany dia mifandraika hatrany amin’ny asa sy ny tanjon’ny Centre vert Ejeda ny mba hanaparitahana

  • Upload
    others

  • View
    2

  • Download
    0

Embed Size (px)

Citation preview

Page 1: Fizahana takila - ades-solaire...ADES miisa 17 izay Oli-b 15 ary ny Oli-c 02, izany rehetra izany dia mifandraika hatrany amin’ny asa sy ny tanjon’ny Centre vert Ejeda ny mba hanaparitahana

1

ASSOCIATION POUR LE DEVELOPPEMENT DE L’ENERGIE SOLAIRE (SUISSE-MADAGASCAR)

Fizahana takila

Editorialy ……………………………………………………………………..01

Kolejy tsy miankina Aina Vinaninkarena Antsirabe ...…………………...02

Fizarana fatana tao Mahereza Antananarivo ………………………........02

Mandray an-tanana ny hoaviny ny Fokontany Antsevaseva-Befoy sy

Enosy ………………………………………………………………………..03

Fanombohana ny taom-pambolen-kazo tany Andakato-Ambarazy …..03

Vonjeo ny lohasahan’i Tsaranoro ……...………………………………....04

Fisarihana ny ankizy hamboly hazo ………...…………………………...04

Andro maneran-tany iadiana amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro …….…05

Fambolena zana-kazo sy fanaraha-maso ary fikarakarana azy ….…...05

Misaotra antsika ny ADES Centre Mobile …………………………….....06

Hetsika « Mitsitsy mba haharitra » « Mampiasa tafana mitsitsy » …....07

Izany ka olona kosa !...……………………………………………………..07

Fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazon’ny faritra

Atsimo Andrefana …………………………………………………………..08

Andro iraisam-pirenena ho an’ny ala ……………………………………..08

Varavarana misokatra tao amin’ny Foibe Nasionaly ADES ……….09-10

Fiofanan’ireo mpamily fiara ato amin’ny ADES …………………….…...11

Fiofanan’ireo mpanentana ADES ………………………………………...12

Fiofanan’ireo olon-tsotra mpivarotra fatana ADES ……………….....….12

ADES sy ny Ora iray hoan’ny tany …………………...……………....13-14

Fankalazana ny Ora iray hoan’ny Tany teto Antananarivo ……...….….14

Ny Tale Nasionalin’ny ADES vaovao sy ny fatana masoandro.….….…15

Lalao …………………….………………………………………...….……...15

Adiresin’ireo Ivotoerana ADES…………………………….……………….16

Valiny lalao ……………………………………………………………....…..16

Fisaorana ……………………………………………………………...…….16

Ry mpamaky hajaina,

Indray andro i Marshall McLuhan dia nilaza hoe, " Tsy misy ny mpandeha ao anaty sambofiara atao hoe tany. Isika rehetra dia mpikambana ao amin'ny ekipa mampandeha ny sambofiara avokoa ”. Noho izany dia misintona ny saintsika rehetra aho ny amin’ny andraisantsika andraikitra

manoloana ny tontolo iainana. Ny fiarovana ny tontolo iainana dia antsika rehetra tsy an-kanavaka, lehilahy na vehivavy, na kely na lehibe. Amin'ny fanaovana asa farafaharatsiny ao an-tokatranonao na any amin’ny toeram-piasana dia efa mandray anjara amin'ny fiarovana ny tontolo iainana izany. Ny erikerika no mahatondra-drano. Ahoana àry ny tokony hataontsinka? Mamboly zana-kazo ao an-jaridaina, hazo fihinam-boa na hafa, na mamboly izany manodidina ny birao raha toa ka misy toerana azo anaovana izany, any am-pianarana ho an'ny ankizy. Maro ireo fihetsika kely izay misy fiantraikany lehibe azo atao. Vao haingana no nandrenesana ny fanondranana sokatra marobe antsokosoko tao Betsinjaky Toliara, mampanontany tena ny antony manosika ny olona sasany hitondra ny biby amin'ny fomba toy izany. Moa ve vokatry ny fitsiriritana no manosika ny olona te-hanan-karena bebe kokoa sa olana hafa lalindalina kokoa? Araka ny voalazan'i Gandhi, " Eo amin’ny fomba itondrany ny biby no ahalalana ny fisian’ny sivilizasionina misy eo amina vahoaka iray," isika izany dia tena mbola lavitry ny lalan'ny fampandrosoana izay eken'ny Malagasy rehetra. Ireo sarina sokatra maty nodorana dia nitety izao tontolo izao Ireo habibiana ireo dia tsy manome sary tsara ho an'ny nosintsika ary indrindra ho an'ny mponina ao aminy. Voalaza fa manankarena amin'ny harena voajanahary i Madagasikara ary indrindra indrindra eo amin’ny zavamananaina isan-karazany, saingy raha jerena ireo sary ireo dia mampanontany tena hoe mbola mitombona ve izany amin’izao? "Rehefa ho tapaka ny hazo farany, rehefa ho faty ny biby farany eto an-tany, izay angamba vao ho fantatsika fa tsy azo hanina ny vola.", hoy i Sitting Bull izay tamin’ny androny.

Ny volana May, izay ankalazantsika ny vehivavy sy ny reny,

dia angatahana izy ireo mba hanome ohatra ho an'ny lehilahy sy ny

ankizy amin'ny fiarovana ny natiora. Raha tsy manao izany isika, iza no

hanao izany eo amin’ny toerantsika?

Ny Mpandrindra ny ADES faritra Atsimo

RAHANTAMALALA Anatolie

Page 2: Fizahana takila - ades-solaire...ADES miisa 17 izay Oli-b 15 ary ny Oli-c 02, izany rehetra izany dia mifandraika hatrany amin’ny asa sy ny tanjon’ny Centre vert Ejeda ny mba hanaparitahana

2

ANDRIAMALALA Naomy

ADES ANTANANARIVO Kolejy tsy miankina Aina Vinaninkarena Antsirabe

Ny fiaraha-miasa teo amin’i ADES sy ny Fikambanana Zaza Malagasy dia natomboka tamin’ity taona ity. Ny « College

Privé Aina » ao Vinaninkarena Antsirabe no nanombohana ny tetikasa. Ramatoa Marguerite sy Atoa Hery mpanentana ato

amin’ny ADES Tana dia nizara fahalalana momba ny tontolo iainana tamin’ireo mpianatra nandritra ny hefarana. Ny tanjona

dia ny hanentanana ireo ankizy amin’ny fandraisana an-tanana ny hoaviny sy ny tontolo iainany. Samy nanana anjara avokoa na ny ray aman-dreny na ny mpianatra. Tsy vitsy ireo ray aman-dreny no nandray anjara

amin’ny fividianana ny fatana mitsitsy ADES araka ny filany. Fandraisana anjara ihany tokoa no nataon’ny ray aman-dreny fa ny

fikambanana no nanolotra ny vidin’ny fatana ary koa arina fandrehitra ho azy ireo. 433 ireo fatana mitsitsy no nozaraina

tamin’io fotoana io.

Fizarana fatana tao Mahereza Antananarivo

Tamin’ny taona 2017 dia tany Maevarano no nanao ny asa sosialy ny fikambanana Madagascoeur. Mitohy hatrany ny

fiaraha- miasa miaraka amin’ny ADES ka ny kaominina Mahereza no niasana ny 2018. Nidina teny ifotony ny ekipa ADES Tana

nanentana sy nampiseho ny tombotsoa azo avy amin’ny fampiasana ny fatana mitsitsy ADES. Rehefa resy lahatra amin’ny

fihenan’ny fandaniana arina sy kitay ary koa ny fotoana hitadiavana ny kitay ny mponina tao dia tsy nisalasala nisoratra

anarana hisitraka ny fatana araka ny fangatahan’ny fikambanana.

Fatana mitsitsy miisa 220 no nozaraina ho an’ireo beantitra sy ireo sahirana ny 28 aprily 2018.

Mpampianatra ao amin’ny Kolejy Aina sy ny ekipany ADES miara-mizara fatana

Ireo mpianatra ao amin’ny Kolejy nandritra ny fanentanana

Kabary fanokafana nataon’ny Ben’ny tan{nan’ny Kaominina Mahereza Ramatoa Verena ao amin’ny MADAGASCOEUR sy ny ekipany ADES Tana tamin’ny fizarana fatana

Page 3: Fizahana takila - ades-solaire...ADES miisa 17 izay Oli-b 15 ary ny Oli-c 02, izany rehetra izany dia mifandraika hatrany amin’ny asa sy ny tanjon’ny Centre vert Ejeda ny mba hanaparitahana

3

ANDRIANANTENAINA Loubien

ADES EJEDA Mandray an-tanana ny hoaviny ny Fokontany Antsevaseva-Befoy sy Enosy

Ho fanatanterahana ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny volana Novembre 2017 lasa teo dia tanteraka ny

fiaraha-miasa teo amin’ny ADES sy GIZ Toliara hanampiana sy ho hanohanana ny Fokontany Antsevaseva-Befoy sy Andrenosy

ao anaty ny kaominin’i Ejeda, fanofanana mahakasika ny famokarana zana-kazo (pépinière), fomba fambolen-kazo, ny

fampianarana momba ny tontolo iainana eny anivon’ny sekoly ambaratonga fototra ary fambolena anana hoan’ny mpianatra sy

ny fikambanana (jardin potager). Tokatrano manodidina ny 80 no nahazo tombontsoa tamin’izany. Tsy nijanona tamin’ny

fampiofanana sy fampianarana ihany anefa izany fiaraha-miasa izany fa notohizana tamin’ny fambolen-kazo miisa 500 isaky

ny fokontany. Ho tohizana amin’ny famokarana sy fambolen-kazo miisa 2500 fototra ao anatina velaran-tany 2ha izany

fiaraha-miasa izany amin’ity taona 2018 ity, ka ny Centre vert ADES Ejeda ihany no hanatanteraka izany miaraka amin’ireo

fokontany roa ireo, hapetraka ihany koa ny fampianarana momba ny tontolo iainana eny anivon’ny sekoly.

Indro ny sary maneho ny fahazotoan’ny mponina ao amin’ireo Fokontany ireo nandritra ny fivoriana mialoha ny

fambolen-kazo sy ny toerana fambolena zana-kazo sy zaridaina ao Antsevaseva-Befoy

Fanombohana ny taom-pambolen-kazo tao Andakato-Ambarazy

Ny volana febroary 2018 lasa teo dia natomboka ny fiaraha-miasan’ny Centre vert ADES Ejeda momba ny

fambolen-kazo amin’ny Fikambanana ao anatin’ny Fokontany Andakato-Ambarazy kaominina ao Belafika, fizarana ireo

fitaovana brouettes, arrosoirs, râteau, pelle, sns, hoentina manatanteraka ny asa famokarana zana-kazo sy fambolen-kazo ao

an-toerana no nanombohana azy. Teo koa ny fandraisan’ireo mpikambana anjara amin’ny fividianana ny fatana mitsitsin’ny

ADES miisa 17 izay Oli-b 15 ary ny Oli-c 02, izany rehetra izany dia mifandraika hatrany amin’ny asa sy ny tanjon’ny Centre vert

Ejeda ny mba hanaparitahana ny fambolen-kazo sy ny fatana mitsitsy ADES eny anivon’ny faritra rehetra izay iasany.

Famokarana zana-kazo sy fambolen-kazo miisa 2500 isa no tanjona hotratrarin’ny fokontany amin’ity taona 2018 ity.

Izao hitantsika amin’ny sary izao ny Lehiben’ny Fikambanana Andakato-Ambarazy miaraka amin’ ireo fitaovana

fambolen-kazo, sy ny ekipan’ny ADES sy ireo mpikambana ao amin’ny fikambanana.

Page 4: Fizahana takila - ades-solaire...ADES miisa 17 izay Oli-b 15 ary ny Oli-c 02, izany rehetra izany dia mifandraika hatrany amin’ny asa sy ny tanjon’ny Centre vert Ejeda ny mba hanaparitahana

4

BARINIRINA Cécile

ADES FIANARANTSOA Vonjeo ny lohasahan’i Tsaranoro

Toerana fizahantany iray ao Andrigitra ny Lohasahan’i Tsaranoro. Ahitana tan{na mitsitokatokana ary

fambolem-bary no foto-piveloman’ny mponina ao. Anisan’ny sompitry ny Faritra Matsiatra Ambony izy. Ripaka ny ala ao amin’ity toerana ity ankehitriny. Ny ala fady sy ny hazo novolen’ireo Hotely mpandray vahiny

manodidina no sisa amin’izao fotoana izao. Sahirana noho izany ny mponina amin’ny fitadiavana hazo sy kitay handrahoana

sakafo, ary mihamihena ny vokatra nohon’ny tsy fisian’ny rotsak’orana.

Tonga saina ny mponina ankehitriny, mahatsapa fa ny fandripahana ala dia toy ny mandrora mitsilany, satria ma-

motika ny fianany, mamotika ny hoavin’ny taranany ary mitondra fahantrana ho an’ny Faritra. Koa vonona izy ireo hiara-

hiasa amin’ny ADES hampiasa ny fatana mitsitsy kitay sy saribao ary hamerina ny ala. Manoloana izany dia mangataka ny fan-

omezan-t{nana avy amin’ireo mpiantsehatra amin’ny fambolen-kazo izy ireo.

Fisarihana ny ankizy hamboly hazo

Ny fiarovana ny tontolo iainana tamin’ny al{lan’ny fambolen-kazo no nentina nankalazana ny Andro maneran-tany ho

an’ny Vehivavy teto Fianarantsoa ny taona 2018. Ankoatra ny fambolen-kazo faobe niarahan’ny vehivavy rehetra dia nasaina koa ny sekoly handray anjara amin’ny fifaninana « jardin potager ». Fitarihana ny ankizy hamboly hazo no tanjona ka ny zava-maniry atao sakafo no nanombohana azy.

Ao anatin’ny fandaharan’asa « Programme Ecole » sy amin’ny mahampikambana anatin’ny komity mpikarakara ny

ADES dia nanolotra fitsidihana botanika ny Arboretum Ranomafana ho an’ny mpianatra 20 mendrika avy amin’ireo sekoly 2

voalohany tamin’ny fifaninana (Monseigneur GIVELET Ankofafa et ALPHA Bateravola) ny ADES. Nahafantaran’ireo mpianatra

karazan-javamaniry samihafa ny fitsidihana. Betsaka koa ny fahalalana azony momba ny asan’ny zavamaniry tsirairay.

Nanakaiky ary voasariky ny natiora izy ireo. Raha fintinina dia nahatsapa fa naman’ny hazo ireo mpianatra ireo ary vonona ny

hiaro sy hampitombo isa azy.

Miankina amin’ny fanabezana azy ankehitriny ny hoavin’ny zanatsika, koa aoka ho mpitarika fitaratra isika.

Fambolena ekolojika ny sekoly nahazo voalohany

Fitsidihana ny Arboretum Ranomafana

Lohasahan’i Tsaranoro

Mpitarika modely: Lehiben’ny Fokontany

Soavahiny sy ny fatana OLI-b novidiny

Page 5: Fizahana takila - ades-solaire...ADES miisa 17 izay Oli-b 15 ary ny Oli-c 02, izany rehetra izany dia mifandraika hatrany amin’ny asa sy ny tanjon’ny Centre vert Ejeda ny mba hanaparitahana

5

ADES MAHAJANGA Andro maneran-tany iadiana amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro

Tao amin’ny Gymnase Complexe Ampisikina-Mahajanga no nankalazana ny andro natokana iadiana amin’ny

fiovaovan’ny toetrandro, ny zoma faha 06 Avril 2018. Tonga nanome voninahitra izany hetsika izany Ramatoa Minisitry ny

tontolo iainana Dr Johanita NDAHIMANANJARA. Maro ireo fikambanana miaro ny tontolo iainana no nanao famelabelaran-

kevitra mahakasika ny voka-dratsiny fiovaovan’ny toetrandro ary varotra fampirantiana ireo fitaovana miaro ny tontolo

iainana. Nandray anjara tamin’izany ny ADES Mahajanga. Nisy ny fifaninanana carnaval nitety tan{na nataon’’ireo sekoly

miankina sy tsy miankina. Ny sekoly tsy miankina “ La bonne Etoile ” no nandrombaka ny laharana voalohany tamin’izany, izay

sekoly mavitrika amin’ny fambolen-kazo sy ny fanentanana maro isankarazany amin’ny fiarovana ny tontolo iainana eto

Mahajanga.

Hitantsika etsy ambany ny sary ny Ramatoa Minisitry ny tontolo iainana nitsidika ny tranoheva ny ADES sy ireo

mpianatra avy amin’ny sekoly tsy miankina « La Bonne Etoile » tamin’ny carnaval.

FANOMEZANTSOA Rolando Paul

Fambolena zana-kazo sy fanaraha-maso ary fikarakarana azy

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny 19 janoary 2018 ny taom-pambolen-kazo 2018 teto Mahajanga. Nisy ny

fambolena zana-kazo izay niarahana tamin’ny tompon’andraikitry ny ala sy ny tontolo iainana ary ireo mpiara-miasa aminy tany Marohogo. Nandray anjara tamin’izany ny ADES Mahajanga sy ny ekipany.

Niavaka ny fambolena zana-kazo taty amin’ny renivohitr’i Boeny satria dia narahina fikarakarana izany. Ka ny 21

martsa 2018, fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny ala, dia niara-nirodona nikarakara sy nanara-maso ny zana-kazo

novolena ireo mpiantsehatra amin’ny tontolo iainana rehetra. Izany rehetra izany moa no natao dia mba hahatomonbana tsara

ny fanirin’ireo zana-kazo ka hamerenana indray ny maha-nosy maintso an’i Madagasikara.

Maneho ireo ekipa namboly hazo sy ny Talen’ny ADES Mahajanga mikarakara ireo hazo novolena ny sary etsy ambany.

Page 6: Fizahana takila - ades-solaire...ADES miisa 17 izay Oli-b 15 ary ny Oli-c 02, izany rehetra izany dia mifandraika hatrany amin’ny asa sy ny tanjon’ny Centre vert Ejeda ny mba hanaparitahana

6

RANDRETSIVALY Brunel Obin

ADES CENTRE MOBILE Misaotra antsika ny ADES Centre Mobile

Ny Ben’ny Tan{nan’i Mahitsy: nandray sy nanohana mihitsy, nitahiry sy niambina ireo fatana mitsitsy (Mahitsy, jolay 2017) Ny Tompon’andrikitry ny hôpitaly: nampiantrano anay ka tena nahafaly, ary tsy namela anay hijalijaly (Mahitsy, jolay 2017)

Ny “Chef ZAP” n’i Fihaonana: nanokatra ny tranony, nanampy sy nanohana (Fihaonana, jolay 2017, avrily 2018)

Ny Ben’ny Tan{nan’i Mahavelona: nanamora sy nanamafy ny fanentanana ny olona (Mahavelona, jolay 2017, avrily 2018)

Ny fianakaviana Francesca sy Milano: nanome torohevitra sy nampiantrano (Ankazobe, aogositra 2017; avrily 2018)

Ny lehiben’ny Paositra ao Maevatanana: amin’ny fandraisana antanana ny fitahirizana ny fatana (Maevatanana, septambra

2017)

Ny Pretran’ny Fiangonana Katôlika: nahatamana sy nahafinaritra ny fiarahantsika (Maevatanana, septambra 2017)

Ny lehiben’ny Parc ao Ankarafantsika: nanome fahalalana, nanoro sy nitarika (Ankarafantsika, oktôbra 2017)

Ny mpitantana ny Paositra ao Mampikony: nampiantrano ary tena nandray tamin’ny fony (Mampikony, oktôbra-nôvambra

2017, martsa 2018)

Ny pretra mpitantana ny Seminera ao Port Bergé: Misaotra betsaka tamin’ny fandraisana re! (Port Bergé, nôv-des 2017, martsa

2018)

Ny Ben’ny Tanana sy ny adjoint ao Boriziny : nanome alalana ary tsara fandray vahiny (Desambra 2017, martsa 2018)

Ireo Tompon’andraikim-pitantanana ny AGA KHAN: nanamafy ny fiaraha-miasa hatrany (Port Bergé, Antsohihy, Befandriana,

Ambanja 2017-2018)

Ireo Frères Capucins ao Antsohihy ao: nampiantrano anay roa volana be izao (Desambra 2017-Febroary 2018)

Ireo tsara sitrapo ao amin’ny Croix Rouge, Ankazobe, Antsohihy sy Maevatanana: niara-nisalahy tsy niraviravy tanana (Sept

2017, Febroary 2018)

Ny Ben’ny Tan{na ao Befandriana: nanohana tokoa ary tena nahavariana ny fahitana ny horonan-tsary tao ambony rihana

(Febroary 2018)

Famangian’i Regula ny Centre Mobile tao Mampikony Ny Talen’ny AGA KHAN Antsohihy, tamin’ny hetsika fanentanana momba ny tontolo iainana sy ny ady

amin’ny tsy fanjarian-tsakafo (Ambodimadiro)

Lapan’ny Tan{na Befandriana, aty anatiny fa tazana avy any ivelany ny horonan-tsary

Sakafom-pisaorana : no sady mijery ho-ronan-tsary momba ny tontolo iainana

Page 7: Fizahana takila - ades-solaire...ADES miisa 17 izay Oli-b 15 ary ny Oli-c 02, izany rehetra izany dia mifandraika hatrany amin’ny asa sy ny tanjon’ny Centre vert Ejeda ny mba hanaparitahana

7

ADES MORONDAVA Hetsika « Mitsitsy mba haharitra » « Mampiasa tafana mitsitsy »

Ny fankalazana ny « ora iray ho an’ny tany » tamin’ity taona ity dia niompana tamin’ny famporisihana ny olona

hampiasa fatana mitsitsy. Izany no nivoizana ny loha-hevitra hoe « MITSITSY MBA HAHARITRA» « MAMPIASÂ FATANA

MITSITSY». Ny ADES sy ny ONG SARAGNA no nanatanteraka ny hetsika teto Morondava, ka fampirantiana ny fatana novokarin’

izy ireo sy nanazava ny fomba fampiasana izany no natao. Tomefy olona ny toerana fampirantiana sy fivarotana ny fatana ADES

sy ny an’ny ONG SARAGNA, porofo mivaingana fa liana ny olona hampiasa ny fatana mitsitsy ary vonona ny hitsitsy tokoa;

dingana lehibe amin’ny fiarovana ny tontolo iainana izany.

Tranoheva ADES izao aseho antsika amin’ny sary etsy ambany izao.

Ella RASOARIMALALA

Izany ka olona kosa !!!

Ny fiarovana ny tontolo iainana dia manomboka amin’ny faharesen-dahatrin’ny tsirairay aloha izay vao ny manodidina

azy. Izany indrindra no zava-nisy tamin’ity talen-tsekoly iray ao amin’ny EPP Ankisirasira Morondava ity. Nividy fatana ADES izy

ny taona 2011, izay ampiasainy hatramin’izao. Noho ny fahitany ny fitsitsiana sy ny hamafin’ilay fatana dia nividy an’ireo

karazam-patana rehetra vokarin’ny ADES izy, avy amin’ny kely ka hatramin’ny lehibe indrindra. Ankoatr’izay dia nividy hafa koa

izy nampiriminy hanoloany an’izay simba rehefa any aoriana any. Izany no nataony mba handreseny lahatra ireo manodidina

azy sy ny mpiara-miasa aminy hiaro ny tontolo iainana. Hatramin’izay nanentanany dia efa 70% n’ireo olona ao amin’ny

fianakaviany no mampiasa ny fatana ADES, ireo mpampianatra 15 miara-miasa aminy kosa dia samy mampiasa fatana ADES

avokoa, ary ireo mpiara-monina aminy indray dia efa tokantrano 20 no efa resy lahatra ary nividy ka mampiasa ny fatana

mitsitsy ADES.

Ireo fatana mitsitsy ao andakozian’ny Ramatoa Tale

Ireo fatana mipirina ao an-tranony Ramatoa Tale

Ramatoa Tale mahandro sakafo amin’y fatana masoandro

Page 8: Fizahana takila - ades-solaire...ADES miisa 17 izay Oli-b 15 ary ny Oli-c 02, izany rehetra izany dia mifandraika hatrany amin’ny asa sy ny tanjon’ny Centre vert Ejeda ny mba hanaparitahana

8

RAFANANENANA Roxane Felanasoa

ADES TOLIARA Fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazon’ny faritra

Atsimo Andrefana

Tamin’ny 19 janoary 2018 dia nandray anjara tamin’ny fanokafana ofisialy ny taom-pambolen-kazo ho an’ny Faritra

Atsimo Andrefana ny ekipan’ny ADES Toliara sy ny ADES Foibe. Tao amin’ny Fokontany Ankilimalangy Kaominina Ambanivohitra

Andranovory Distrika Toliara II no nanatanterahana izany, izay nokarakarain’ny DREEF (Biraom-paritry ny Tontolo Iainana sy

ny Ala ary ny Hay Voary), niarahana nanatontosa tamin’ireo Manam-pahefana teo an-toerana, ny mpiara-miombon’antoka, ireo

mpisehatra eo amin’ny fiarovana ny tontolo iainana rehetra ary ireo mponina sy mpianatra tany an-toerana. Zana-kazo arivo

(1 000) no voavoly tamin’ny andro fanokafana ofisialy, fa efatra arivo sy iray alina kosa no fitambaran’ny zana-kazo voavoly

nandritra ny dimy andron’ny fanombohana ny fambolen-kazo (nanomboka ny 17 hatramin’ny 21 janoary 2018). Ny ADES koa dia

nanampy teo amin’ny hoenti-manana tamin’ny fanomanana ity fambolen-kazo ity.

Andro iraisam-pirenena ho an’ny ala

Ny faha-21 Martsa 2018, ny ekipan’ny ADES Toliara sy ny ekipa teknikan’ny Foibe Nasionaly dia nandray anjara

tamin’ny JIF izay natao tany amin’ny RENIALA eny Mangily.

Nisy fanomezana zana-kazo ho an’ireo mpahazo tombotsoa izay nosafidin’ny DREEF Antsimo Andrefana, fitsidihana ny

ala arovana Reniala, fampisehoana mahandro sakafo amin’ny fatana mitsitsy sy fanandramana nataon’ny ekipan’ny ADES

TOLIARA , sy fampisehoana ny fanamboarana birikety nataon’ny ekipa teknika ny ADES Foibe .

« Zomba party » teny amorom-dranomasina no nentina namaranana ny fotoana !

Ekipany ADES, tamin’ ny fambolen-kazo

Mpanentana ao amin’ny ADES mamboly hazo

Fampisehoana mahandro sakafo amin’ny fatana mitsitsy

Fampisehoana ny fanamboa-rana birikety

Nisarika olona ny tranoheva ny ADES

Page 9: Fizahana takila - ades-solaire...ADES miisa 17 izay Oli-b 15 ary ny Oli-c 02, izany rehetra izany dia mifandraika hatrany amin’ny asa sy ny tanjon’ny Centre vert Ejeda ny mba hanaparitahana

9

DIRECTION NATIONALE Varavarana misokatra tao amin’ny Foibe Nasionaly ADES

Satria miankina amin’ny tsirairay ny hoavin’ny

nosintsika aran-tontolo iainana, dia anjaran’ireo Lehibeny

Fokontany tao anatin’ny Kaominy ambonivoitr’i Toliara,

Kaominy ambanivohitr’i Mitsinjo sy Betsinjaka no nentanin’ny

ADES, mba hampitomboana ny fahalalana ara-tontolo

iainana ananan’izy ireo tao anatin’ny Varavarana misokatry

ny ADES ny faha 20 martsa 2018 tao amin’ny Foibe nasionaly

ny ADES Betanimena.

Andro iray nipoirana fifanakalozan-kevitra maro sy

namiratry ny soso-kevitra momba ny 3 P (fiaraha

miombon’antoka ny tsy miankina sy ny fanjakana); satria

niarahana namaly ny fanontaniana hoe : Ahoana ny

ahafahan’ny roa tonta hiara hiasa ho an’ ny tontolo

iainana ? Asa mandray roa izy ity satria nahafahana niaro ny

faharipahan’ny ala no sady nentina niady amin’ny fahantrana

ihany koa ary satria ny fampiasana ny fatana mitsitsy ADES

dia mampihena hatramin’ny 50% ny saribao sy kitay

ampiasaina isan-tokantrano. Amin’izay, afaka mametra ny

fampiasana ny harena anaty ala (ny hazo ) ny olona ao

amin’ny tan{nan’i Toliara. Ary tsy hanano sarotra hoan’ireo

mpitondra fanjakana ny hifehy ireo mpivarotra saribao tsy

ara-dal{na anaty tan{na izay mitombo isa hatrany raha

mihena ny fampiasana saribao eto Toliara. Ary indrindra koa

fotoana nahafahana nanazava tamin’ireo Lehiben’ny

Fokontany ny asany sy ny iraka ampanaovina ny ADES, mba

hahafahan’izy ireo mampita ny fahalalana azony any

amin’ireo Fokontany.

Ny ADES dia mitady hatrany ny fomba

hampandraisana anjara ny rehetra amin’ny fiarovana ny ala

eto Madagasikara. Ireo sary etsy ambony maneho ny

zava-nisy tamin’izany.

Tranoheva lehibe nandraisana ireo olo-nasaina Ireo olo-nasaina mihaino ny lahatenin’ny Ben’ny Tan{na Mitsinjo

Solotenany Lehiben’ny faritra mikabary

Ireo mpampandroso vahiny tamin’ ny varavarana misokatra Ramatoa Filohan’ny Fokontany

Tsienengea sy ny ekipa ADES

Page 10: Fizahana takila - ades-solaire...ADES miisa 17 izay Oli-b 15 ary ny Oli-c 02, izany rehetra izany dia mifandraika hatrany amin’ny asa sy ny tanjon’ny Centre vert Ejeda ny mba hanaparitahana

10

RASOANIRINA Oméga

Ireo olo-nasaina hitsidika ny trano famokarana fatana ADES tarihan’ny Tale teknika Atoa Norbert

Teknisianina ao amin’ny ADES maneho ny fomba fanamboarana fatana mitsitsy

Ireo olo-nasaina mitsidika ny trano famokarana fatana masoandro

Ireo olo-nasaina mijery ny fomba fandrahoana amin’ireo fatana ADES

Ireo olo-nasaina manandrana ny sakafo nandrahoina tamin’ny fatana masoandro

Ireo Mpanentana ADES mahandro sakafo amin’ireo fatana ADES

Page 11: Fizahana takila - ades-solaire...ADES miisa 17 izay Oli-b 15 ary ny Oli-c 02, izany rehetra izany dia mifandraika hatrany amin’ny asa sy ny tanjon’ny Centre vert Ejeda ny mba hanaparitahana

11

Fiofanan’ireo mpamily fiaran’ny ADES

Eo ampikarohana ny hahamatianina hatrany ny fomba fiasa ny ADES ka nanome fiofanana ireo mpamily rehetra eo anivon’ny ADES Madagasikara, ny voalohan‘ny taona 2018 tao Antsirabe. Fanamafisana traikefam-pamiliana sy fampatsiahivana ny toe-tsaina mandray andraikitra hampihen{na ny loza mety hitranga, ireo avy ny tanjon’ny fiofanana. Mpampiofana 2 tsy miankina sy ny Tomponandraikitry ny fiara eo anivon’ny ADES no namelabelatra ireto lohahevitra manaraka ireto mba hanatratrarana ireo tanjon’ny fiofanana :

Torohevitra momba ny familiana fiara tsy matahodalana

Iraka vonjy taitra

Ny zoron’ny fiara

Ho tonga Mpamily matihanina.

Fomba manokana familiana fiara tsy matahodalana.

Familiana azo antoka sy ieren-doza

Fampis{na ireo fitaovana madinidinika mety ho ilaina raha sendra fahasarotana antsoina hoe : MOSS (Standards Minima

de Sécurité Opérationnelles)

Fanamoriana fiara am-pitsitsiana sy miaro ny natiora ary fikojakoj{na ny fiara

Rija RAJAONARISON

Nampatsiahivana an’ireo Mpamily tamin’izany ny fampiharana ireo fepetra sy ny fitsipika ary ny aro lozan’ny

fifamoivoizana, ny mahazava-dehibe ny fampias{na ireo antota-taratasy maro samihafa ho fanarahamaso ny fiara eo anivon’ny

ADES, ny fitantanana sy ny fandrindr{na ireo andraikitra isan-karazany sahanin’ny Mpamily toy ny fikojakoj{na ny fiara sy ireo

fitsipika ary lal{na samihafa, ny fampias{na amin’ny tokony ho izy ireo fitaovana ao anaty fiara sy ireo kojakoja isankarazany

izay tsy tokony hisaraka amin’ny fiarakodia (MOSS), ny fanomanana ny dia, fahaizana misafidy ny lalana tokony haleha, solika,

ary tsy hadino koa ny familiana fiara. Maneho izany fa ny ADES dia misehatra eo amin’ny fiarovana ny ala ary notsindriana mafy

tamin’izany ny familiana fiara ieren-doza, mitsitsy sy miaro tontolo iainana.

Aorian’ny fiofanana ireo Mpamily dia azo antoka fa :

Mahafehy tsara ny familiana fiara ieren-doza

Afaka miasa na misy aza ny hasarotana.

Afaka miantoka ny fampandehanana antsakany sy andavany ny dian’ireo Mpamita iraka izay entiny.

Mamily fiara am-pitsitsiana sy miaro ny tontolo.

Page 12: Fizahana takila - ades-solaire...ADES miisa 17 izay Oli-b 15 ary ny Oli-c 02, izany rehetra izany dia mifandraika hatrany amin’ny asa sy ny tanjon’ny Centre vert Ejeda ny mba hanaparitahana

12

Fiofanan’ireo mpanentana ADES Nozaraina roa ny fanofanana nomena ireo mpanentana ADES tamin'ity taona 2018 ity. Ny voalohany dia natao ny 16 17, 18 ary 19 janoary 2018 tao amin'ny foibe Ceffel, tsy lavitry ny tan{nan'Antsirabe, namoriana ireo mpanentana avy amin’ny faritra avaratra dia : Antananarivo, Mahajanga ary Antsirabe. Ny faharoa dia tamin'ny 22, 23, 24 ary 25 janoary 2018 tao amin'ny trano fisakafoanana Hotely Tombontsoa Fianarantsoa, namoriana ireo mpanentana avy amin’ny faritra atsimo, izany hoe Toliara, Ejeda Morondava ary Fianarantsoa. Nandritra ireo fotoam-pivoriana roa ireo, ny roa andro voalohany dia natokana ho fanofanana ireo mpampiofana amin'ny fanabeazana momba ny tontolo iainana. Ramatoa Haja Ranaivo, fony izy tompon'andraikitra tamin'ny fandaharam-pianarana, no nandray izany andraikitra izany. Ny lohahevitra dia niompana amin'ny olana momba ny fandripahana ala eto Madagasikara, ny fiarovana ny natiora ary ny harena voajanahary eto Madagasikara. Ny mpandray anjara

dia afaka nianatra momba ireo zavamaniry isan-karazany eto Madagasikara. Ny andro fahatelo, na tao Antsirabe na tao Fianarantsoa, dia Ramatoa Anatolie Razafindrafeno, talen'ny IEC, no nizara ny fahalalany sy ny traikefany ara-barotra. Fotoana nahafahana nampahatsiahy sy nampita tamin’ireo mpanentana ADES ny paikady ny fivarotana fatana ato amin’ny ADES, nanazavana ny politikan'ny vidin-javatra ary hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fahafahampo ny mpanjifa. Tamin'ny andro fahefatra no nisy fitsidihana saham-boankazo natao tao amin'ny Foiben'ny Ceffel tao Antsirabe ho an'ny faritra avaratra. Nizahana ny fikarakarana ny voankazo sy ny legioma. Ny mahaliana indrindra dia ny fambolena ny “fraise” amin’ny fomba mifatona izay fomba mety tokoa ho an'ny vokatra an-tanan-dehibe. Ho an'ny faritra atsimo, dia nitsidika ny arboretum Ranomafana izahay. ny fitsidihana botanika. Fomba iray hafa nijerena ireo zava-mahatalanjon'ny

natiora eto Madagasikara. Taorian'ireny hetsika rehetra ireny,

dia tena resy lahatra hatrany ny rehetra fa ilaina ny fiarovana sy

ny famerenana ny ala malagasy.

Fiofanan’ireo olon-tsotra mpivarotra fatana ADES Nandritra ny volana May, ny fanofanana ireo olon-tsotra mpivarotra fatana ADES dia natao tao amin'ny ivon-toerana ADES tsirairay ary natrehin’ireo mpanentana, Tale sy mpandraharaha ara-bola. Araka ny fotoana nahafahan’ireo mpivarotra fatana hanatrika izany, dia natao tao anatin'ny 2 andro na indray andro ny fampiofa-nana. Lohahevitra samy hafa no noresahana nandritra ireo fotoam-piofanana ireo, anisan'izany ny fifandraisana ara-barotra misy eo amin'ny ADES sy ny mpivarotra, ny taratasy tsy maintsy ho fenoina sy ny fanaraha-maso, ny fanabeazana momba ny tontolo iainana mba hanentanana ireo mpivarotra. Tsara ny manamarika fa ny ADES dia manararaotra hatrany izay zava-misy rehetra hanentanana momba ny olana

ara-tontolo iainana eto Madagasikara. Noho izany, dia niarahana nijery ny horonan-tsary novokariny Centre Mobile ADES sy ny trano famokarana Grand Angle. Ilay horonan-tsary dia mamintina ny lahasa rehetra ataon’ny ADES izay manomboka amin'ny famokarana ka hatramin'ny fanaraha-maso ireo mpisitraka, amin'ny alalan'ny fiaraha-miasa amin'ny tetikasa hafa toy ny VOZAMA na ny AFA. Ny mpivarotra dia tonga saina fa ny vokatra ADES dia mora tokoa raha oharina amin'ny vola lany hamokarana azy sy ny fikarakarana ho an'ny fizarana ireo vokatra ireo. Azo antoka fa ho ambasadaoron'ny ADES izy ireo, tsy ho

anivon'ny mpanjifa ihany fa ho eo amin'ny fokonolona amin'ny

ankapobeny. Ny fifanakalozan-kevitra dia nanampy tamin'ny

fametrahana lamina hampivoarana ny asa ataon’ireo olon-tsotra

mpiavarotra fatana ADES mba hampitombo ny fahitana azy ireo.

ADES dia manakaiky hatrany ireo olon-tsotra mpiavarotra fatana

ADES.

Fanofanana ireo mpanentana ADES faritra Avaratra

Ireo mpanentana ADES faritra Atsimo mitsidika ny Vala-javaboary Ranomafana

Fanofanana ireo olon-tsotra mpivarotra fatana ADES

Ireo olon-tsotra mpivarotra fatana ADES ao Mahajanga

Ireo olon-tsotra mpivarotra fatana mitsidika ny trano famokarana tanimanga ao Fianarantsoa

RAHANTAMALALA Anatolie

Page 13: Fizahana takila - ades-solaire...ADES miisa 17 izay Oli-b 15 ary ny Oli-c 02, izany rehetra izany dia mifandraika hatrany amin’ny asa sy ny tanjon’ny Centre vert Ejeda ny mba hanaparitahana

13

Tao anatin’ny fankalazana ny « Ora iray hoan’ny tany », ny 20 ka hatramin’ny 24 Martsa 2018, ny ekipan’ny ADES Toliara dia nanao fanentanana, fandefasana horonan-tsary momba ny tontolo iainana narahana fifaninana kely tamina Fokontany 10, ka ny 5 tao anatin’ny Kaominina Ambonivohitr’i Toliara (Ankilisoafilira, Ambohitsabo,

Mahavatse I, Tanambao TSF Nord, Betania ) ary ny 5 hafa kosa tao anatin’ny Kaominina ambanivohitr’i Mitsinjo Betanimena (Betanimena, Mitsinjo Nord, Tanandava Mikambana, Befanamy, Belemboka Androvakely). Olona tsy latsaky ny 300 isam-pokontany no tonga nanatrika ny fanentanana natao.

Ankilisoafilira

Fokontany Mitsinjo Fokontany Mitsinjo Nord

Nahazo ny loka tao amin’ny Fokontany Betania

Fokontany Ambohitsabo

Fokontany Mahavatse I

ADES sy ny Ora iray hoan’ny tany

Page 14: Fizahana takila - ades-solaire...ADES miisa 17 izay Oli-b 15 ary ny Oli-c 02, izany rehetra izany dia mifandraika hatrany amin’ny asa sy ny tanjon’ny Centre vert Ejeda ny mba hanaparitahana

14

Fankalazana ny Ora iray hoan’ny Tany teto Antananarivo Ny Green Cool, ny WWF niaraka tamin’ny Ministeran’ny Fampahafantarana ny toetr’andro dia nikarakara ny fankalazana ny Ora iray hoan’ny Tany teto Antananarivo. Nandray anjara tamin’izany hetsika izany ny Ivotoerana ADES Tana sy ny Centre Mobile ADES. Mba hiarovana ny tontolo iainana sy hampihenana ny fandaniana kitay sy saribao fahandrahoan-kanina, dia famporisihana ny olona hampiasa fatana mitsitsy no asa nofidiana hatao amin’ity taona 2018 ity, ka ny lohahevitra noraisina dia ny « Mitsitsy mba haharitra » « Mampias{ fatana mitsitsy ». Nisy ny fampirantiana ireo fatana mitsitsy isankarazany nandritra ny hefarana teny amoron’ny Lac Anosy. Ny 24 Martsa 2018 no nanatanterahana ny diabe nataon’ireo mpiantsehatra amin’ny tontolo iainana manodidina ny farihy, ka narahana varotra fampirantiana fatana teo anoloanan’ny Kianjaben’i Mahamasina. Iray amin’ireo olon-tsotra mpivarotra fatana ADES dia nitazona ny tranoheva ADES, izao hitantsika amin’ny sary izao. Tena fahombiazana nahitana fifanakalozan-kevitra. Teo ihany koa ny fifaninanana mahandro amin’ny fatana mitsitsy teny anivon’ireo sekoly izay nokarakarain’ny WWF sy ireo tanora ao amin’ny Green Cool. Ny ADES dia nanolotra fatana mitsitsy saribao 10 natao loka homena izay sekoly nandrombaka ny laharana voalohany tamin’ny fifaninanana. Azo atao tsara ny mamerina izany hetsika izany rehefa misy foara amin’ny manaraka. Ny GIZ, ireo orinasa mpamokatra biogaz, fatana mitsitsy 3M dia samy tonga nankalaza avokoa ny Ora iray hoan’ny tany teto Tana. Hitantsika etsy ambany ny sary maneho ny tranoheva ADES sy ny diabe teny Anosy.

Axel BRÜCKMANN

Fokontany Tanandava Mikambana

Fokontany Befanamy

« Radio crochet » tao amin’ny Fokontany Belemboka Androvakely

Ireo nahazo ny kola tao amin’ny Fokontany Belemboka Androvakely

ANDRIAMPARANY Lapa Jim Martin

Page 15: Fizahana takila - ades-solaire...ADES miisa 17 izay Oli-b 15 ary ny Oli-c 02, izany rehetra izany dia mifandraika hatrany amin’ny asa sy ny tanjon’ny Centre vert Ejeda ny mba hanaparitahana

15

KILALAO Mitsivalana : 1. Biby madinika mampinono miaina anaty ala eto

Madagasikara. Miremby bibikely sy voankazo amin’ny alina. Ny tanany ahitana rantsana iray lava be, fangaronany ireo bibikely misitrika any anaty hodi-kazo.

2. Biby mampinono miaina anaty alan’ny faritra atsimo andrefan’ny Nosy. Taranaka gidro mivoaka amin’ny atoandro sy mandeha amin’ny tany indraindray, manana rambo lava miloko mainty sy fotsy

3. Karazam-boromahery lehibe mpihaza tsy fahita raha tsy eto Madagasikara irery ihany, manana elatra lava, ahitan volo miloko fotsy eo amin'ny lohany, tendany ary tratrany. Mivelona manaraka ny sisin-drano voahodidin'ala, Mipetraka amin’ireny hazo lehibe ireny izy mba hijereny tsara ny faritra fihazany. .

4. Sakadia mipetraka anaty ala, indraindray miditra an-tan{na mangalatra akoho, miloko mavo maramara

5. Biby an-dranomasina fihinana, tsy misy taolana, manana tanana 10 manodidina ny vavany: 8 mitovy habe, ary 2 lava kokoa izay manampy azy misambotra ny rembiny, manana vatana ahitana elany 2 filomanosany; mipetraka any anaty ranomasina lalina. Rehefa misy mitady hisambotra izy mamoaka ranomainty mba hiafenany sy hanakorontanany ny mpisambotra azy.

Mitsangana : I- Teny miafina

I

1

2

3

4

5

ADES SOISY Ny Tale Nasionalin’ny ADES vaovao sy ny fatana masoandro

Ny alakamisy faha 12 Aprily, ny Filan-kevitry ny fitantanana ADES Soisy dia nanapa-kevitra ny amin’ny izay ho Tale Nasionalin’ny ADES Madagascar. Tsy iza izany fa Atoa Allain Wasserfallen, fizisianina soisy. Ary rehefa naheno ity farany fa hanao asa ao amin’ny Atelier Sommer ny ekipan’ny ADES Soisy ny sabotsy 14 Aprily 2018, izay Trano famokarana fatana masoandro any Soisy, dia nandray anjara izy mba hahaizany manamboatra fatana masoandro...Izay no asa voalohany nataony tao amin’ny ADES ! Izao hitantsika amin’ny sary izao ny lehilahy nanamboatra fatana masoandro tao amin’ny atelier Sommer, sy tao an-jaridainan-dRamatoa Regula, izay niaraka tamin’i Rita sy i Elisabetta nikarakara sakafo atoandro hoazy ireo tamina fatana masoandro sy paraboly masoandro. Maro ireo olona avy eto Soisy nandalo nanamboatra ny fatana masoandrony teto mba hahafahany mahandro amin’izany any antranony !

Regula OCHSNER Valiny kilalao takila faha 16

Page 16: Fizahana takila - ades-solaire...ADES miisa 17 izay Oli-b 15 ary ny Oli-c 02, izany rehetra izany dia mifandraika hatrany amin’ny asa sy ny tanjon’ny Centre vert Ejeda ny mba hanaparitahana

16

Producteur Editeur: RASOANIRINA Oméga

Fisaorana

Ry mpamaky hajaina,

Ity taona ity dia manoritra ny firotsahan’ny rehetra amin’ny fanatsarana ny tontolo iainantsika, Ny fitombon’ny fandraisana anjara eo amin’ny Mpitondra fanjakana manohana ireo asa ara-tontolo iainana.

Ny fahitana ny ADES mifanindrana amin’ireo tetik’asa kely miha-maro izay manamboatra fatana mitsitsy ADES, dia manamafy ny fitiavantsika ny natiora sy fitantanana azy mba hianoka izany koa ireo

taranantsika any aoriana amin’ny fotoan’androny. Noho izany rehetra izany dia misaotra betsaka anareo : Mpitondra fanjakana, Fikambanana, ONGs, Tetikasa, Programa … Ny ezaka ataon’ny ADES dia

tohananareo amin’ny fahavitrihana sy fahasahiana izay manomboka mampiaka-danja ny asa ara-tontolo iainana eto Madagasikara amin’ny alalana hetsika marobe, toy ny fandraisana andraikitra sy

fandraisan’anjaran’ireo Lehiben’ny tananan’ireo Kaominy ambanivohitra amin’ny fanentanana momba ny fambolen-kazo sy fitantanana ny ala ao amin’ny kominina amin’ny alalan’ny fampiasana fatana mitsitsy

ADES. Ity gazety ity no fomba hahafahanay mampita sy mizara aminareo ny ezaka rehetra ataonay ato

amin’ny ADES, ary manantena izahay fa hamaly ireo fil{nareo, ary koa mba hahita fahafinaretana ianareo eo am-pamakiana azy.

Adiresin’ireo Ivotoerana ADES

DIRECTION NATIONALE Route Betanimena Tél : +261(0)20 94 444 63 E-mail : [email protected] Centre Antananarivo Ambohijatovo, Avaratra Bâtiment Imanga kely près de JIRAMA Tél: +261(0)20 22 377 93 +261 (0)32 05 297 67 Email : [email protected] Antenne Antsirabe Ampihaviana Immeuble Volavita Tél : +261 (0)32 05 297 54 E-mail : [email protected] Centre Vert Ejeda Tél : +261 (0)32 05 411 70 Email : [email protected] Centre Fianarantsoa Ambalamarina / Mahazengy Tél : +261 (0)32 05 277 54 Email : [email protected]

Centre Mahajanga Villa Cassidy Antanimasaja Tél: +261 (0)32 05 622 63 Email : [email protected] Centre Mobile Ambohijatovo, Avaratra Bâtiment Imanga kely près de JIRAMA Tél: +261(0)20 22 377 93 +261 (0)32 05 622 64 Email : [email protected] Centre Morondava Sanfily Tél : +261(0)20 95 940 02 Email : [email protected] Centre Toliara Ampasikibo/Villa Masoandro Tél : +261(0)20 94 445 44 +261 (0)33 08 457 54 Email : [email protected] SUISSE : Regula Ochsner, Fondatrice ADES im Grindel 6 CH-8932 Mettmenstetten, Tél : +41(0) 44 466 60 50 E-mail : [email protected]

www.adesolaire.org

Valiny kilalao laharana 001: Mitsivalana: 1-HAIHAY 2-MAKI 3-ANKOAY 4-KARY 5-ANGISY Mitsangana : I-RAVINALA