Upload
others
View
28
Download
2
Embed Size (px)
Citation preview
Page 1 sur 35
NY FANAMBARAN'I PAOLY
Fampidirana
Manaraka ny fanambarana ny ministeran'i Jesosy, dia ny fanazavana ny teolojia misionan’i
Paoly izay anisan'ny ivon'ny teolojia biblikan'ny TV. Misy telo ny anton’izany :
1. Raha lazaina aran-tantara dia tsy misy vavolombelona ny amin'ny finoana teo amin'ny
Kristiana voalohany izay fantantsika mazava toa an'i Paoly. Fantatra ihany ny amin’i Jesosy
noho ny amin'ny lovantsofina avy amin'ireo mpanaraka Azy, fa ao amin'i Paoly no ananantsika
soratra azo antoka izay maneho ny zotra fototra eo amin'ny fisainana ara-teolojikany. Manampy
izany ireo taratasy nivoaka avy tamin'ny sekoliny sy ny tantara momba ireo Apostoly ao
amin'ny Bokin'ny Asan'ny Apostoly, ka ny teolojia misionan'i Paoly dia azo faritana mazava
ankoatr'izany rehetra izany eo amin'ny fijoroana vavolombelon'ny Testamenta Vaovao.
2. Efa hitantsika ny fivelarana lehibe izay nahitana mazava ny "reflection theologique"
sy ny fanazavan'ny Soratra Masina ny amin'i Mesia izay nanamarika ny fampianaran'i Jesosy
sy ny lovan-tsofina ara-panekem-pinoana sy fampianaram-pinoana teo amin'ny Fiangonana
talohan'i Paoly. Ny teolojia amin'ny maha-"reflecton"-n"ny finoana azy araka ny Testamenta
Vaovao dia tsy mba nanomboka teo amin'i Paoly, fa efa talohany. Na dia izany aza anefa, dia
Paoly no mitana laharana lehibe teo amin'i Fiangonana Voalohany. Amin'ny maha-Fariseo
ampielezana avy any Tarsosy any Kilikia azy, dia efa nobeazina ara-teolojia Jiosy tao amin'ny
Sekolin'i Raby Gamaliela I talohan'ny naha-voahantso azy ho Apostolin'i Jesosy Kristy izy.
Ankoatr'izany, hatramin'ny naha-voahantso azy ho amin'ny fanopoana Apostolika, dia efa
nanaraka ankaiky ny lovan-tsofina momba ny tradision'ny finoana Kristiana izay efa nisy izy
(izay ninoany fa natolotra azy), ary novelariny ho mahaleo-tena ho teolojian'ny misiona amin'ny
fotony izany. Paoly dia manomboka izany amin'ny fahatsapana fototra fa Andriamanitra Izay
nanangana an'i Jesosy tamin'ny maty dia tsy hafa fa Ilay Andriamanitra izay maneho ny
fahasoavany sy ny famindrampony anamarinana ny tsy marina amin'ny alalan'i Jesosy irery
ihany sy amin'ny alalan'ny finoana Azy. Miseho ho zava-dehibe tokoa ny fanehoan'i Paoly ny
teolojiany izay mivelatra avy amin'ny foto-pisainana avy amin'ny fomba fijery taorian'ny Paska.
Izany no antony ho fanalahidy tokana eo amin'ny fandinihana ny teolojian'ny TV.
3) Izany maha-fanalahidy an'i Paoly dia hamafisin'ny "influence" ara-teolojikany izay
efa hita sahady ao amin'ny Testamenta Vaovao tenany. Paoly dia mametraka an'izany ho
misiona mankany any amin'ny Jentilisa, kanefa tsy ho misolo ny misiona manknay amin'ny
Jiosy izany. Ny teolojiany mantsy dia mifototra amin'ny "principe" teolojika fa
Andriamanitra iray Izay namorona izao tontolo izao sy nifidy ny vahoaka Isiraely manokana
Page 2 sur 35
ho olony, dia mbola Izy koa no naniraka an'i Jesosy eo amin'ny Isiraely sy ny firenena rehetra,
ary ireo rehetra izay voavonjy na Jiosy na Jentilisa dia ao amin'i Kristy. Asehony amin'ny
alalan'izany koa ny antom-pisinan'ny Fiangonana ara-teolojia. Ireo taratasin'i Paoly ireo dia
efa nangonina sy efa nohazavaina tamin'ny fotoan'ny Testamenta Vaovao (II Pet: 3:15-16).
Raha tsy nisy an'ireo Soratra ireo, dia azo heverina ho nanary ny iray amin'ireo lova sarobidy
indrindra ara-teolojikany teo aminy ny TV. Ny teolojia misionan'i Paoly ary noho izany dia
tena lehibe indrindra eo amin'ny teolojia Biblika izay mandray ny "sujet" manokana ao
amin'ny Testamenta Vaovao tenany. Mitambatra amin'ny fanambaran'i Jesosy, izany
teolojian'i Paoly izany dia mi-"former" "axe" (angle) izay ironan'ny teolojian'ny Testamenta
Vaovao manotolo.
Ny lanja ara-teolojiakan'i Paoly dia tsy mba hiadian-kevitra eo amin'ny fikarohana
ankehitriny. Izay hiadian-kevitra kosa dia ny foto-kevitra tsirairay ao amin'ny teoloja Paolinika
ary ny fiahaviany sy ny fizotrany. Izany koa dia tsy azo sarahina amin'ny Toritenin'ny Apostoly
momba ny finoana izay tsy maintsy dinihina eo amin'ny famotopotorana ny teolojian'ny
Testamenta Vaovao. Kanefa koa dia mila ny fiheverana ankaiky momba ny "appoach" sy ny
foto-kevitra tsirairay amin'ireo "Kerygma Paolinika" ireo.
CHAPTER 16
LOHARANO, KRONOLOJIA, ARY NY TOETRAN'NY KARIERAN'I
PAOLY
Ny teolojia misionan'i Paoly dia tsy mba azo sarahina amin'ny fiainany sy ny anjara
fanompoany. Ny teolojiany dia ohatra maneho fa ny Filazantsara dia hazavaina amin'ny
alalan'ny fianan'ny vavolombelona iray izay voafidy, ka ny fanahiny sy ny fiainany dia mitana
toerana lehibe teo amin'ny fandrafetana an'ilay "Kerygma". Ny fahazoana ny teolojia Paolinika
dia miankina betsaka amin’ny loharano izay raisina ho fototra amin'ny fanehoana azy sy ny
"cadre" ara-tantara izay hijerena ny tantaram-piainan'ny Apostoly. Eny fa na dia ny
fisafidianana ireo loharano sy fandrafetana indray mandeha ny asan'i Paoly tenany aza dia efa
maneho ny foto-kevitra teolojika tena mafonja.
Ireto avy ireo loharano izay azo raisina amin’izany: Ireo taratasy kanonikan'i Paoly 13,
ny Asan'ny Apostoly, ary tokony hoheverina ihany koa ny fahafatesan'ireo Apostoly ho
maritiora ao amin'ny Clement 5; 5-6.1. Tsy misy amin'izy ireo anefa no azo ampasaina ho
amin'ny fandrafetana iray mahaleo-tena. Izay mbola mitoetra ho fanorenana fototra ny
fanehoana ny teolojian'i Paoly anefa dia ireto taratasy manaraka ireto: 1 Tesaloniana; 1-2
Korintiana, Filipiana, Filemona, Galatiana, ary ny Romana, azo anampiana azy ireo koa anefa
ny Kolosiana sy ny 2 Tesaloniana. Ireo Soratra rehetra ireo dia voasoratra tamin'ny fotoan'ny
Page 3 sur 35
ministeran'i Paoly taorian'ny fivoarian'ny Apostoly tany Jerosalema tamin'ny 48 AD. Izy ireo
dia voasoratra nifanarakaraka tao anatin'ny 6 hatramin'ny 8 taona eo ho eo. Ireo taratasy
Paolinika ireo dia voasoratra kely nifanelanelanana, ary hita fa mora mifandray be izy ireo sady
mifazava koa ny hevitra ao anatiny. Ireo taratasy ireo dia tsy mba afaka ampiasaina avy hatrany,
satria tsy ny soratr'i Paoly ihany mantsy no raketiny fa ny an'ireo mpianany koa (izay antsoina
ho Soratra "Deteuro-Pauline". Ny Bokin'ny Asan'ny Apostoly koa dia tsy mba azo ampiasaina
avy hatrany satria ny fanehoana teolojika ara-tantara dia voasoratra avy amin'ny fomba fijery,
izay tsy avy amin'i Paoly irery ihany fa mivelatra avy aminy indrindra. Ary farany, ny
fanamarihana momba ny fahafatesan'i Paoly ao amin'ny Clement dia voasoratra taorian'ny
nanangonana ireo taratasin'i Paoly ireo, ary tsy dia miresaka zavatra maro afa-tsy ny Fiangonana
Kristiana tany Roma. Ny Fiangonana tamin'ny taona 95-96 dia nahafantatra fa ny Apostoly
Petera sy Paoly dia maty maritiora noho ny finoana tamin'ny andron'i Nero Kaisara tany Roma.
Ireo taratasy 13 mitondra ny anaran'i Paoly ireo izay voatahiry hoantsika ankehitriny ao
amin'ny Testamenta Vaovao dia ahafahantsika mahafantatra betsaka tokoa momba an'i Paoly
sy izay nanodidina azy. Noho izany, ireo taratasin'i Paoly izay voatahiry dia ahafahantsika
mamantatra izay rehetra nanodidina azy sy ny fisainany teo anatrehan’izany rehetra izany. Azo
antoka mantsy fa Paoly dia niteny sy nampianatra betsaka ankoatr'izay hitantsika ao amin'ireo
taratsiny mitondra ny anarany ireo. Ankoatr'izany, amin'ireo taratasy Paolinika ireo, dia tsy
miavaka tsara izay nosoratan'i Apostoly tenany sy ireo izay nosoratan'ireo mpianany taorian'ny
nahafatesany, na dia fanatra ihany aza izany ao amin’ny fomba fanoratra (style), sy ny
voambolana izay ampiasaina ary koa ny votoatin’ny zavatra izay voasoratra.
Ny Bokin'ny Asan'ny Apostoly dia mitana toerana lehibe eo amin'ny fanehoana ny
fiainan'i Paoly sy ny asany. Lioka no nanoratra azy, ary ny tanjona di any mba ho fanehoana ny
maha-zava-dehibe an'i Paoly teo amin'ny tantaran'ny Fiangonana voalohany. Hita indrindra eo
amin'ny tapan'ny faharoa manotolo amin'ilay boky izay maneho an'i Paoly sy ny misionany
izany, izay azo tarafina amin'ny Isaiah 42:7, 16 and 49:6 (cf. Acts 13:47; 26:16-18). Araka ny
Asa 26:16-18, Paoly dia Mpanompo sy vavolombelon'Ilay Kristy nitsangana, izay ho vonjen'i
Tompo avy amin'ny fanenjehan'ny vahoaka Jiosy sy ny Jentilisa ary hirahina hankany amin'ny
Jentilisa "mba hanokatra ny masony hialany avy amin'ny fahamaizinana ho amin'ny fiainana,
avy amin'ny herin'ny Satana ho amin'Andriamanitra, mba handraisan'izy ireo famelan-keloka
mba ho isan’ireo izay efa nohamasinina amin'ny finoana" (Acts 26:18; cf. Jer. 1:8, 19; Isa.
42:7, 16; Gal. 1:15-16). Raha jerena ny fiavian'i Paoly avy izay avy amin'ny kolotsaina
metropolis any Tarsosy any Kilikia, ny fanabeazana azony tany Jerosalema, ireo "voayage"
misionera izay nataony, ary ny fiafaran'ny fiainana tamin'ireo asa fanompoana ireo, ny bokin'ny
Page 4 sur 35
Asan'ny Apostoly dia te-hilaza fa tsy misy mpanao tantara teo amin'ny Kristiana voalohany
izay afaka nanao asa lehibe toy izany.
Raha araka ny fijery azy tokoa, dia mitazona ny teny fampanantenana nataony ao
amin'ny Lioka 1:1-4 Lioka mpanoratra amin'ireo taratasy roa izay nosoratany hanehoany ny
lovantsofina marina sady azo antoka. Tokony vakiana tsara mihitsy anefa ny Bokin'ny Asan'ny
Apostoly satria Lioka dia mitantara ny amin'i Paoly kanefa tsy amin'ny maha-Paolinista azy fa
amin'ny maha-"historiographer" azy kosa. Tsy miresaka loatra ny amin'ireo taratasin'i Paoly izy
na koa na koa manondro azy ho Apostoly, izay zavatra tena niadin'i Paoly teo amin'ny fiainany
manotolo araka ny Galatiana 1 sy 2, Romana ary ny Korintiana. Ny fitantaran'i Lioka ny
fiovam-pon'i Paoly ao amin'ny Asa 9:1-22; 22:4-16; 26:9-18 izay tena zava-dehbe indrindra teo
amin'ny fiainany dia samihafa tanteraka amin'ny fanambaran'i Paoly tenany ao amin'ireo
taratasiny ireo. Lioka dia maneho araka izany ny hafatry ny Apostoly. Ankoatr'izany, talohan'ny
nanoratan’I Lioka ny Bokin'ny Asan'ny Apostoly (ho tohin'ny Filazantsarany), Jerosalema dia
efa noravan'ny Romana (Luke 21:20, 24), ary Paoly dia efa maty maritiora tamin'ny Kaisara
Nero talohan'izany. Noho izany, ny tantaran'i Lioka ao amin'ny Asa dia tsy maintsy vakiana
am-pitandremana izay miresaka ny amin'ny fiavian'i Paoly miaraka amin'ireo tantara mitovy
iazy hita ao amin'ny Asan'ny Apostoly ihany koa. Eo anatrehan'izany dia zava-dehibe ny tokony
hamakiana miaraka ny tantaran'i Lioka momba an'i Paoly sy ny fanambaran'i Paoly tenany
manokana ny amin'izany.
Noho izany rehetra izany, ny kronolojian'ny fiainan'i Paoly sy ny asany dia tsy arafitra
indray mandeha amin'ny famakiana miaraka ireo taratasy "authentique" izay nosoratan'i Paoly,
sy ireo taratasy "Deutero-Pauline", ary ny tantaran'i Lioka ao amin'ny Asan'ny Apostoly. Paoly
dia teraka tany Tarsosy, zanakin'i fianakaviana Jiosy tena mpivavaka izy, ary "citoyen" Romana
koa avy amin'ny rainy. Toa nentina tany Jerosalema izy fony mbola kely ka nobeazina teo
amin'ny sekoly Jiosy tao amin'ny akademian'ilay Raby malaza tamin'izay nantsoina hoe
Gamaliela I (Acts 22:3). Ao amin'ny Asa 7:58, Paoly dia nantsoina ho “νεανια”, izay midika
hoe “tanora” eo anelanelan'ny taona 26 sy 40. Raha heverina ho tamin'ny 30 CE ary no
nahafatesan'i Jesosy, Paoly kosa dia tokony ho voantso ho Apostoly taoriana kelin'izay, tokony
ho tamin'ny 32 CE, raha teny an-dalana handeha hanenjika ireo Kristiana tany Damaskosy iny
izy. Niasa voalohany indrindra izy amin'ny maha-misionera azy tany Arabia sy tany Damaskosy
tao anatin'ny roa taona. Taorian'ny famangiana fohy izay nataony tany Jerosalema tamin'ny 34
CE, dia nandany 14 andro kosa tany Tarsosy, Syria, ary Kilikia (Gal. 1:21-2:1; Acts 9:30).
Taorian’izany dia nentin'i Barnabasy tany Antiokia Paoly, ary tany izy no nanomboka ny asany
voalohany dia ny misiona amin'ny Jentilisa (cf. Acts 11:22-26). Rehefa nanao misiona anefa
Paoly sy Barnabasy dia tsy mba nanery ireo Kristiana ireo izay efa niova fo tamin'ny asa
Page 5 sur 35
misiona nataony tamin'ny “voyage” misionera voalohany izay nataony tany Antiokia sy
Kiprosy ary ny faritany Romana tany Galatia (13:1-14:28) ho forana izy ireo, ary izany no
nahatonga ny fivoarian'ny Apostoly tany Jerosalema tamin'ny 48 CE.
Barnasy sy Paoly anefa dia nanao ny misiona tamin'ny Jentilisa izay tsy nifototra
tamin'ny lalana na tamin'ny famorana. Tamin'ny fivorian'ny Apostoly tany Jerosalema dia
nanambara i Jakoba rahalahin'i Tompo ny amin'ireo zavatra izay nifanarahan'ny Apostoly ho
tsy maintsy ho tandremana (cf. Acts 15:20, 29). Nisy ihany na dia izany aza ny tsy fifanarahana
teo amin'i Paoly teo ankilany, Petera, Barnabasy ary ireo Kristiana Jiosy tany Antiokia teo
andaniny (Gal. 2:11-21; Acts 15:36-41). Paoly anefa hatramin'ny 49 sy 50 no mankaty dia
nandray an-tanana tanteraka ny asa misiona tamin'ny Jentilisa izay nankinina taminy, ary mbola
nananteraka “voyage” misionera roa lehibe tany Asia Minora sy Akaia, Atena ary Korinto.
Tamin'ireo “voyage” izay nataony ireo dia niezaka izy nanagona fanampiana avy tamin'ireo
Kristiana avy tamin'ny Jentilisa ho an’ireo mahantran'ny Fiangonana tany Jerosalema (Rom.
15:26) izay efa nifanekena tamin'ny fivorian'ny Apostoly tany Jerosalema. Talohan'ny
nitondrany ireo fanampiana ireo hoan'ny Jerosalema anefa, tamin'ny 56-57 CE talohan'ny diany
hoany Roma, dia nisy herisetra nihantra taminy avy tamin'ireo Jiosy mpanohitra azy tao amin'ny
Tempoly. Tsy afaka namono azy anefa izy ireo satria nampidirin'ny mpiaro Romana tamponja
izy ho fiarovana azy. Nitoetra tao am-ponja tao anatin'ny roa taona tany Kaisaria Filipo izy
tamin'ny 59-60 CE, ary taorian'izany dia nentina nankany Roma. Tany no nahafatesany ho
maritiora tokony ho tamin'ny 60-62 CE teo eo tamin'ny andron'i Neron Kaisara.
Ireo "donnés" rehetra momba an'i Paoly ireo dia mampandroso hevitra teolojika lehibe.
Voalohany dia avy amin'ny fiainan'i Paoly no ahazoantsika ny tenin'i Karl barth manao hoe:
"ao amin'izy ireo, ao amin'ny fiainany sy ny asany no ahafantaran'ny Fiangonana ny maha-
fikambanan’ny olom-boafidy azy. Ao amin'izy ireo no ahafantaran'ny mambran'ny Fiangonana
tsirairay ny hevitra sy ny tanjon'Andriamanitra tamin'ny nifidianana azy tsirairay" (Church
Dogmatics). Ny fototra eo amin'izay maha-Apostolin'i Jesosy Kristy an'i Paoly dia ny
fanamarinana ny tsy marina (Rom. 4:5; 5:6) izay efa niainany tany Damaskosy (he has already
experienced it on the Road to Damascus). Tsy araka ny nahazatra loatra izany hoe olona ratsy
izay nanohitra ny sitrapon'Andriamanitra tao amin'i Jesosy Kristy ka tokony hatolotra teo
amin'ny fitsarana, dia voavela heloka ary voafidy ho amin'ny fanompoana Apostolika ao
amin'ny finoana an'i Kristy (1 Cor. 9:16; 15:8-10; 2 Cor. 2:14-17). Eo amin'ny fahitana fa ny
Torah sy ny Filazantsaran'i Kristy izay hery roa ara-pivavahana ka namaritra ny fiainan'i Paoly
hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany no maha-zava-dehibe indrindra an'i Paoly. Ny
fahafantarana ny fifandraisan'ny lalana sy ny Filazantsara no tena hevitra lehibe izay ao an-
damosin'ny teolojiany. Ireo taratasy izay voalaza tery ambony fa tena nosoratan'i Paoly (1
Page 6 sur 35
Tesaloniana, Galatiana, 1 sy 2 Korintiana, Romana, Filipiana, Filemona) dia ampoizina ho
voasoratra tamin'ny “voyage” misionerany faharoa sy fahatelo ary koa tamin'ny figandrany tany
Kaisaria Filipo na Roma. Ny teolojian'i Paoly voarakitra amin'ireo taratasy ireo dia tsy
systematika ka mifototra amin'ny foto-kevitra iray, fa karazana teolojian'ny misiona izay mijery
ny "horizon" universelle mifototra amin'ny filan'ny Fiangonana izay nanoratana. Ireo taratasy
izay heverina ho “authentique” nosoratan'i Paoly ireo dia manambara fa nandritran'ireo
fanompoana Apostolika nataony ireo, izy dia teolojiana goavana ary ny fampianarany dia
nekena eran'ny Fiangonana rehetra. Nijoro vavolombelona tokoa ny amin'ny Filazantsara izay
nankinina taminy izy tamin'ny alalan'ny fajaliana izay nihantra taminy, fandavana azy,
famonoana. Noho izany, ny fampianaran'i Paoly dia raisina amin'ny heviny ara-teolojika
amin'ny alalan'ny fiheverana ankaiky ireo olana sy ireo "circonstance" samihafa izay natrehiny,
fa tsy ny fanekena an'izany ho zavatra natolotra fotsiny.
CHAPTER 17
NY FIAVIANA SY NY FIANDOHAN'NY TEOLOJIAN'I PAOLY
Mampiady hevitra ihany ny amin'ny fiaviana sy ny fiandohan'ny teolojian'i Paoly, noho
ireto antony roa ireto: Voalohany, ireo taratasin'i Paoly ireo dia "Documents" momba ny
misiona, ka tsy maintsy avy amin'ireo anefa no handinihana ny foto-keviny. Ankoatr'izany, izy
ireo dia mifandray amin'ny toe-javatra maro samihafa teo amin'ny misiona tao amin'ny
piangonana ka noraisina nandrafetana ny tradisionam-pampianarana teo amin'ny Fiangonana
izay naoriny. Matetika dia sarotra be ny fahazoana azy ireo noho ny amin'ireo fomba fisainana
sy fiteny maro izay mifandray ao anatiny. Na dia eo amin'ny fomba fijery ara-tantara aza, dia
be dia be ny fomba izay anatonana ny foto-kevitr'i Paoly. Faharoa, nanomboka tamin'i Augustin
ka hatramin'ny Reformasiona, eny mandraka ankehitriny, Paoly dia mitoetra ho "influent"
hatrany eo amin'ny fampianaran'ny Fiangonana, indrindra fa ny Fiangonana Tandrefana. Ireo
foto-kevi-dehibe tsirairay eo amin'ny Teolojian'i Paoly ireo ary dia tsy maintsy heverina
ankaiky sy hadihadina ary tsikeraina eo amin'ny tontolon'ny fisainana teolojika ankehitriny eo
amin'ny piangonana. Misy dingana telo lehibe eo amin'ny fiheverana ny fihandohana sy ny
fiavian'ny teolojian'i Paoly. Tsy maintsy jerena indrindra aloha ny fijery an'i Paoly ankehitriny,
ka hadihadina sy "evaluena", ary farany dia ho jerena ny vokatr'izany eo amin'ny fijery an'i azy
izay an-dalana amin'izao fotoana izao (ny New Perspective).
Ao amin'ny fikarohana Paolinika any Germania, dia misy hevitra anakiroa izay
mifaninana: dia ny programmatika Soteriolojika-Antropolojikan'i R.Bultmann sy ny fomba
fijery Apokalyptika-Kristolojikan'i E. Käsemann. Ny fanazavan'ireo teolojiana Germana ireo
an'i Paoly anefa, indrindra fa eo amin'ny fanindrian'izy ireo betsaka momba ny fanamarinana,
Page 7 sur 35
dia efa nandalo tsikera lehibe tamin'ireo teolojiana Amerikana sy Anglisy, ary efa tsy azo
hodian-tsihita intsony izany tsikera izany amin’izao fotoana izao.
R. Bultmann dia namelatra ny fahazoany an'i Paoly eo amin'ny fomba fikarohana
"Systematika-Hermenetika". Aran-tantara dia nanomboka tamin'ny zava-baovao tao amin'ny
antropolijian'i Paoly izy. Fantany tsara ireo "Termes Anthrpologique" izay tena hita mazava ao
amin'i Paoly noho ny amin'ireo sisan'ny Boky ao amin'ny Testamenta Vaovao, toy ny "tena”
(σωμα), “nofo” (σαρκ), “saina” (νους), “fo” (καρδία), ary“fieritreretana” (συνειδεσις). Amin'ny
heviny voalohany indrindra, dia manondro ny tenan'ny olona iray manotolo tsy mivaky izy ireo,
tena, nofo, saina, fo, ary fieritreretana, sns.. eo anatrehan'Andriamanitra na koa eo anatrehan'ny
olombelona. Ao andamosin'izany "Anthropologie Theologique" izany, Bultmann no mahita ny
programa teolojikan'i Paoly. Noheverin'i Apostoly ho fiviliana anthropolojika ny
fieritreretan'ny tena manokana noho ny fiezahany hampifandray an'izany amin'ny olombelona
tsirairay. Avy amin'izany no nandraisan'i Bultmann fehin-kevitra fa ny Teolojia Paolinika dia
tsara indrindra raha adika ho karazana "Anthropologie Theologique". Araka an'i Bultmann, ny
fanamarinana ny mpanota tsirairay dia mbola mitoetra ho ivon'ny teolojia Paolinika. Ny
fanamarinana mantsy dia midika indrindra fa ny mpanota tsirairay dia afaka amin'ny fahotany
noho ny fahasoavan'Andriamanitra maimaimpoana izay mialohan'ny asan'olombelona. Ny teny
hoe : "fanamarianan'Andriamanitra" (δικαοσυνη Θεοῦ) izay miseho matetika ao amin'ny
taratasin'i Paoly (cf. Rom. 1:17; 3:5, 21-26 ; 10:3; 2 Cor. 5 :21 ; Phil. 3:9), araka ny hevitr'i
Bultmann, dia "fanomezan'Andriamanitra, fahamarinana izay atolotr'Andriamanitra ny mino
tsirairay noho ny fanapahan-keviny samirery ao amin’i Kristy.
Hafa noho izany anefa ny hevitr'i E. Käsemann, izay mpianatr'i Bultmann ihany,
mandroso foto-kevitra telo lehibe izy ho fanoherana izany hevitr’I Bultmann izany ao amin'ny
asa exegetikaly sy teolojika izany nataony, izay samy momba an'i Paoly: Ny antropolojian'i
Paoly dia tsy momba ny tsirairay tsy akory araka ny fiheveran'I Kasemann, fa momba ny
olombelona amin'ny fahitany ny tenany ho efa manana sahady ny fifandraisana
amin'Andriamanitra sy amin'ny hafa, ary koa amin'ny hery hafa. Ny fampianarana momba ny
fanamarinana dia marina tokoa fa ivon'ny teolojian'i Paoly, kanefa tsy miresaka ny amin'ny
fahafahan'ny mpanota eo anatrehan'Andriamanitra ihany, fa momba voalohany indrindra ihany
koa ny zon'Andriamanitra ara-dalana izay hita sy tanteraka ao amin'i Kristy ao amin'ny maha-
olombelona feno sy maha-Andriamanitra feno Azy. Ny teny fahamarinan'Andriamanitra dia
milaza indrindra ny hery sy ny fanomezan'Andriamanitra. Noho izany, dia azo adika ho
zon'Andriamanitra manokana na koa fahatokiam-panekena, na koa fanomezana fahamarinana
hoan'ny mpanota tsy marina izany fanamarinana izany. Bultmann dia tsy mijery loatra an'i
Paoly eo amin'ny eskatolojia, fa araka an’i Kasemann kosa dia tsy maintsy jerena ankaiky ara-
Page 8 sur 35
tantara sady heverina ara-teolojia ny amin'ny fiheveran'i Paoly ny fahakekezan'ny
fahatongavan'ny Fanjakan'Andriamanitra eto amin'izao tontolo izao sy ny fanavaozana ny
zavatra rehetra.
Eo amin'ny fanoherany an'i Bultmann ireo, dia mihevitra i Kasemann fa ny fahazoana
an'i Paoly dia tokony ho avy amin'ny "Anthropologie Theologique" fa tokony ho avy amin'ny
fanantenana Kristolojika sy Eskatolojika. Izy roa ireo dia samy mikendry ny fanavaozana ny
Fanjakan'Andriamanitra eto amin'izao tontolo izao. Amin'i Kasemann, dia tsy mivelatra avy
amin'ny Antropolojia sy soteriolojia ny fisainan'i Paoly, fa ireo zavatra roa ireo kosa dia maneho
ny halalin'ny teolojiany. Ireto mpianatr'i Bultmann roa ireto, dia i Hans Conzelmann sy G.
Bornkamm, dia manohitra an'i Kasemann fa manamafy kosa ny hevitr'i Bultmann sady
mamelatra izany. I Hans Conzelmann dia manindry kokoa ny fiankinan'i Paoly amin'ny lovan-
tsofina izay efa nisy teo amin'ny Fiangonana Voalohany, ary milaza izy fa i paoly dia nandray
ny fampianaram-pinoana avy tamin'ireo 'Formules Credal pre-Pauline" (pre-Pauline credal
formulations) ireo. Manindry arak'izany ny amin'ny, toy an'i Bultmann, lovan-tsofina aran-
tantara eo amin'ny fanazavana ny amin'ny teolojian'i Paoly izy amin”izany. G. Borkmann
indray dia manohy ny hevitr'i Bultmann ny amin'ny fahazoana an'i paoly ao amin'ny tontolo
aran-tantara teo amin'ny fiainany sy ny asany. Mifandray amin'ny fisainan'i Paoly momba ny
misiona izany ka mahafaoka izao tontolo izao manontolo. Amin'izany dia manamafy ny hevitr'i
Kasemann ihany izy, dia ny fomba fijery apokalyptika ny amin'ny eskatolojian'i Paoly.
Georg Eichholz and Otto Kuss dia milaza fa nanamafy orina ny teolojian'i Paoly ireo
lovan-tsofina izay efa noraisiny teo amin'ny Fiangonana talohany ireo. Araka izy roa lahy ireto
dia ny Kristolojia no ivon'ireo lovan-tsofina izay noraisiny ireo, ary amin'ny alalan'izany ihany
no ahazoana ny fampianaran'i Paoly ny amin'ny fanamarinana. Ny finoana sy ny famonjena ny
mpino tsirairay araka izany dia tena fomba fiteny soteriolojika mazava tokoa ao amin'ny
Kristolojikan'i Paoly. Mivelatra avy amin'izany Kristolojia izany ihany koa ny misionany.
Manakaiky ny hevitr'i Kasemann ny hevitr'izy roa lahy ireto, kanefa somary lasa lavitra ihany.
W. G. Kümmel and L. Goppelt dia nanamafy sy nanova ny hevitr'i Kasemann. Izy ireo dia
manindry fa ao amin'ny Kristolojiany sy ny fampianarany momba ny fanamarinana, i Paoly dia
manohy ny tradisiona izay mifototra amin'ny fahazoan'ny Fiangonana tany Jerosalema an'i
Kristy. Nampitaha ihany koa izy ireo ny amin'ny toritenin'ny Apostoly sy ny hafatr'Ilay Jesosy
aran-tantara, ka nilaza fa ny toritenin'i Jesosy momba ny Fanjakan'Andriamanitra dia tanteraka
ara-teolojia taty aorian'ny Paska ao amin'ny toritenin'i Paoly. Ankoatr'ireo voalaza ireo dia
mbola maro ireo teolojiana izay nandinika ny teolojia taorian'izany. I Kümmel dia nanadihady
manokana ny amin'ny toritenin'i Jesosy sy ny tantaran'ny Kristiana voalohany sy ny
fahazoan'izy ireo ny amin'ny lovan-tsofina. Goppelt indray dia nijery manokana ny hevitr'i
Page 9 sur 35
Schlatter ny amin'i Jesosy sy Paoly. Goppelt dia manakaiky ny hevitr'i Kasemann satria i
Schlatter dia mitovy hevitra amin'i Kasemann ny amin'ny maha-ivon-javatra ny famoronana sy
i Kristy eo amin'ny fahamarinan'Andriamanitra ao amin'i Paoly. Raha fehezina dia izao :
Amin’ny fotony arak'izany dia tsy tena hita loatra ny fironan'ny mpikaroka ny amin'ny hevitr'i
Bultmann sy Kasemann, ny kendren'ireo mpikaroka taty aoriana indrindra dia ny hahalalana ny
teolojian'i Paoly izay mifototra amin'ny tantaran'ny Kristiana voalohany sy ny tantaran'ny
lovan-tsofina izay efa nahazo toerana tao amin'ny sekolin'i Bultmann.
Heverina ho zava-dehibe araka izany ny fandraisana ny fampianarana momba ny
fanamarinana ho ivon'ny teolojian'i Paoly. K. Stendahl anefa tsy manaiky an'izany ary milaza
fa fahadisoana ny manazava an'i Paoly avy amin'ny fomba fijerin'i Lotera ka mandray ny
fanamarinana ho ivon'ny fisainany. Ny mampiavaka an'i Paoly sy i Lotera mantsy dia noho i
Paoly nihevitra ny tenany ho tsy nanantsiny teo anatrehan'ny lalana. E.P Sanders indray ao
amin'ireo boky izay nosoratany dia manambara fa zava-dehibe eo amin'ny fandinihana an'i
Paoly ny fiheverana ny maha-Jodaista azy sy ny fahazoany ny lalana. Aminy dia tsy
fampianarana momba ny fanamarinana ny ivon'ny fisainan'i Paoly fa ny mpino tsirairay amin'ny
maha-ao amin’i Kristy azy.
CHAPTER 18:
PAOLY SY NY LALANA
Anisan'ny mampiady hevitra ny mpikaroka ny amin'ny fampianaran'i Paoly ny amin'ny
lalana. Paoly anefa dia nandray ireo lovan-tsofina momba ny lalana avy amin'ny Testamenta
Taloha sy ny Jodaisma ary Jesosy. Eo amin'ny fanazavana an'izany dia zava-dehibe ny
ahafantarana ny lalana ao amin'ny Testamenta Taloha sy ny “Judaisme Primitive” satria Paoly
amin'ny maha-Fariseo azy dia nahafantatra tsara ny tradisiona araka ny TT sy ny “Judaisme
Primitive”. Zava-dehibe ihany koa ny hahafantarana izay nolazain'i Jesosy ny amin'ny lalana
(Torah). Ary ankoatr'izany dia tsara koa ny hanindriana ny fampianaran'i Paoly manokana ny
amin'izany lalana (Torah) izany sy izay tena fototra iavian'izany. Ny TT sy ny “Judaisme
Primitive” dia mandray ny lalana ho fanomezan'Andriamanitra ka dia feno fisaorana noho
izany. Izany fifaliana izany dia mifototra amin'ny fiheveran'isiraely ny tenany ho vahoaka
voafidin'Andriamanitra manokana, navotana avy tamin'ny fahandevozana tany Egypta, ary
nomena ny lalana tany Sinay. Ka amin'ny maha-olom-boafidin'Andriamanitra azy ireo dia feno
fisaorana izy, ary mianatra ny lalan'Andriamanitra mba hiaina maharitra am-piadanana noho
izany miaraka amin'Andriamanitra. Amin'izany fijery izany dia hita fa ny lalana dia nahazo ny
toerany indrindra teo amin'ny tantaran'Isiraely. Ao amin'ny Didy folo no ahitana voalohany
indrindra ny fahazoan'ny Testamenta Taloha ny amin'ny Lalana, ao amin'izany no
Page 10 sur 35
anoritsoritana ny fiaim-piainan'ny zanak'Isiraely eo anatrehan'Andriamanitra. Teo
anatrehan'ireo toe-javatra sarotra izay natrehin'Isiraely teo amin'ny tantara tamin'ny taon-jato
faha-9 sy 8 anefa dia nanambara ireo mpaminany (toa andr'i Amosa, Mika, Isaia) fa vokatry ny
fitsaran'Andriamanitra izany noho ny fivadihana tamin'ny lalana. Nivoatra araka izany ny
fiheverana ny amin'ny lalana, ary tamin'ny taon-jato faha-7 dia hita indray ny Boky ny Lalana
tamin'ny endrika Deteronomika. Ka ireo Didy folo ireo dia noheverina ho toy ny
Tenin'Andriamanitra nivantana tamin'Isiraely. Ary izany Boky ny lalana izany (Deoteronomia)
dia manambara amin'ny zanak'Isiraely izay tokony ho fomba fiainany eo
anatrehan'Andriamanitra sady hanavahany ny tenany amin'ny firenen-kafa.
Rehefa lasa babo indray ny zanak'Isiraely tamin'ny taon-jato faha-6, dia noheverina
nodihina indray ny hevitry ny lalana ao amin'ny Deoteronomy. Teo amin'ireo mpisorona, ny
lalana dia natao mba hahamora ny fifandraisan'ny vahoaka amin'Andriamanitra ao amin'ny
fotoam-pivavahana ka hahatonga ny fiainana ho masina eo anatrehan'Andriamanitra (Lev. 17-
26). Kanefa tsy tanteraky ny Zanak'Isiraely izany, ka dia nambaran'i Ezekiela mpaminany fa
Andriamanitra mihitsy no haniraka ny Fanahiny Masina Izay hampandeha ny olony araka ny
lalany (Ezek: 36: 24-28). Taty aorian'ny fahababoana dia lasa lavitra mihoatr'izay ahitana azy
ao amin'ny Pentateoka ny fanambaran'ny Torah. Voalaza ao amin'ireo tradisiona "deutero-
Jeremiaique" araka ny Jer: 31:31-34, Isa: 2.2-5, Micah 4.1-5, Salm 50 ireo, fa avy any Ziona no
ivoahan'ny lalana izay fiadanana eran'ny tany rehetra. Avy amin'izany indrindra no nanavahan'i
H. Gese ny "Sinaitique Torah" sy ny "Zionique Torah". Izany fomba fijery vaovao momba ny
Zionique Torah izany dia mirakitra zavatra efatra : 1) Voalohany dia tafiditra ao anatin'izany
ny Jer : 31:31-34, Ezek 36 : 24-28, Sal 50-51 izay manambara ny amin'ny famoronana vaovao
izay ataon'Andriamanitra amin'ny alalan'ny Fanahiny Masina ka ahatonga ny olony handeha
marina tokoa araka ny lalany. 2) Ny faharoa izay mifandray amin'izany, dia ny fanantenana fa
ho avy ny andro izay handehan'ny zanak'Isiraely amin'ny fiadanana sy handehanany amin'ny
fahamarinana araka ny sitrapon'Andriamanitra. 3) Misy ny fanantenana fa ny Torah izay
nambara tany Sinay dia hahazo heviny vaovao. Tsy ho lalana voasoratra intsony ka ho ezahina
ho tratrarina mantsy izany, fa ho soratan'Andriamanitra ao anatin'ny fon'izy ireo, ka hahaleo
tena izy ireo amin'izany fahalalana an'Andriamanitra ka hanaraka tanteraka ny lalany. 4) Ny
farany dia ny fanantenan'Isiraely ny fiainany feno fiadanana amin'ny hoavy eo ambany
fitondran'ny Mesia, ary ao Jerosalema no ho foiben'izany, ka ny fanambaran'ny Torah dia
mifamatotra indrindra amin'ny tendrombohitra Ziona any Jerosalema. Araka ny Salamo 50 dia
manambara ny sitrapony Andriamanitra, tsy avy amin'ny tendrombohitra Sinay intsony anefa
fa avy any an-tendrombohitra Ziona kosa. Mifamatotra ihany koa amin'ny fanambarana ny
Page 11 sur 35
fanekena vaovao izany araka ny Jer 31:31-34, ary amin'izany dia hivoaka avy ao Ziona ny lalana
ka hahatonga ny Isiraely sy ny olombelona rehetra hiaina amin'ny fiadanana.
Tamin'ny taon-jato faharoa sy voalohany BCE anefa dia naneho ny
Toran'Andriamanitra vaovao ho fanazavana bebe kokoa ny Deteronomy ny Fikambanana tany
Qumran sy ny Boky ny Jobily, ka ny tanjona tamin’izany dia ny hahatonga ny vahoaka Isiraely
ho masina bebekoa hatrany sy hahatonga azy ireo ho ankaiky kokoa hatrany an'Andriamanitra.
Avy amin'izany koa ny niainan'i Paoly ny lalana tamin'ny naha-Fariseo azy. Ny Torah ary dia
mitoetra ho ilay sitrapon'Andriamanitra masina izay nambara tany Sinay, ary ny fananana azy
dia mampiavaka an'ny vahoaka Isiraely amin'ny firenena rehetra. Eo amin'ny fiheverana an'i
Paoly ho avy amin'izany foto-pisainan'ny TT sy Jiosy momba ny lalana izany, dia azo lazaina
fa tsy maintsy nandinika indray mandeha ny fampianaran'ny lalana izy teo anatrehan'ny
fiantsoan'i Jesosy Azy ho apostoly. Tsy maintsy nandinka i Paoly, tsy ny fahazoan'ny Jiosy ny
lalana ihany fa ny fampianaran'i Jesosy momba ny lalana ihany koa. Paoly dia efa nanatrika ny
vokatry ny fampianaran'i Jesosy teo anatrehan'ny lalana teo amin'ny fanenjehana an'i Stefana,
ary rehefa tonga Apostoly izy dia nahafantatra an'izany fampianaran'i Jesosy tany Damaskosy
sy Jerosalema ary tany Antiokia.
Amin'ny fandinihana marina ny fisainan'i Paoly momba ny lalana, dia tsy maintsy jerena
ireo "Terminologie Paulinique" momba izany lalana izany. Mitovitovy ihany raha ny fisainana
Paolinka sy ny fomba fampiasana lingistika Jiosy ny amin'ny lalana. Ny mampiavaka an’i Paoly
fotsiny dia ny fanaovany ny Torah ho ny lalan'i Kristy, ary koa ny fanaovany ny lalana ho ara-
panahy. Ireo fanazavana ny lalana teo amin'ny Jiosy ary dia hita avokoa ao amin'ireo soratr'i
Paoly ireo. Paoly araka izany dia tsy maintsy nieritreritra indray ny amin'ny lova araka ny
lalana izay nolovany amin'ny Jiosy teo anatrehan'ny fahazavan'ny fanambarana izay natolotra
azy teny an-dalana mankany Damaskosy. Amin'izany fandinihan'i Paoly indray mandeha ny
lalana izany koa no nametrahany ny amin'ny fanantenana momba ny fahatongavan'i Kristy izay
efa ankaiky sy ny fitsarana izao rehetra izao e.g. 1 Thess. 4:13-5 :11 ; Rom. 8:31-39; 13:11-
14). Hijoro eo anatrehan'ny seza fitsaran'Andriamanitra ny olona rehetra, na Jiosy na Jentilisa
ka samy ho tsaraina (cf. 1 Cor. 3 :11-15 ; 2 Cor. 5 :6-10 ; Rom. 14:10-12). Eto ary dia mipetraka
ho “horizon apocalyptique forensic” ny olana izay apetraky ny lalana.
Ao amin'ny fampianarany momba ny lalana ary, dia mitazona ny fanambarana izay
azony teo anatrehan'ny fiantsoan'i Kristy azy i Paoly. Izany fanambarana izany dia tsy maintsy
nahatonga azy tonga mpanda ny finoana Jiosy izay nitokiany teo amin'ny Torah teo aloha. Paoly
araka izany dia manazava ny Torah eo anatrehan'ny fahalalana fa ny voninahitr'Andriamanitra
dia niseho indrindra teo amin'ny tavan'i Kristy nitsangana (2 Cor. 4:6). Izany Kristy izany dia
Page 12 sur 35
ny Tompo Izay nomen'Andriamanitra manokana ny anarany, ka Izy no andohalehan'ny zava-
boahary rehetra any an-danitra sy ety an-tany, ary koa hatrany ambanin'ny tany rehetra (Phil.
2:9-11). Eo anatrehan'ny fanambaran'Andriamanitra ao amin'i Kristy ary dia tsy dikany intsony
ny fanambarana tany Sinay.
Hatramin'ny fahalavoan'i Adama, ny lalan'Andriamanitra izay tsara sy marina dia tonga
herim-panozonana sy fanamelohana, ary izy no manambara miharihary ny fahotana. Ny
lalan'Andriamanitra izay tsy maharakotra intsony ny ota sady miampanga ny mpanota dia tsy
mahajanona intsony eo anatrehan'ny fahasoavan'Andriamanitra ao amin'i Kristy, fa manompo
ny fahasoavany kosa. Ny lalana dia eo amin'Andrioamanitra mandrakariva, manambara
amin'ny mpanota ny fahotany sy izay mendrika ho azy noho izany fahotany izany, dia ny
fahafatesana. Satria ny mpanota dia afaka mandositra ny fanamelohan’ny lalana noho ny
fanekeny an'i Kristy. Ny lalana dia mitondra ny mpanota ho amin'i Kristy, ka manompo ny
sitrapo masin’Andriamanitra Izay te-haneho famindram-po mandrakariva hoan'ny mpanota ao
sy amin'ny alalan'i Kristy. Amin'ny Jiosy Azy, Jesosy Zanak'Andriamanitra dia teo ambanin'ny
lalana, fa izay nampiavaka Azy tamin'i Adama dia Izy nahatanteraka tsara ny lalana. Nahatoky
koa Izy tamin'ny iraka izay nampanaovin'Andriamanitra Azy, na dia nanameloka Azy aza ireo
mpitarika Jiosy tamin'ny alalan'ny fanombohana Azy tamin'ny hazo fijaliana izay nataon'ny
miaramila Romana. Niaritra fahafatesana teo ambon'ny hazo fijaliana Izy kanefa dia tsy nanana
ota, noho izany dia nahatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra hamonjy izao tontolo izao Izy.
Nahavonjy ny mpanota tamin'ny ozon'ny lalana tokoa Izy, ary naharava ny fanjakazakan'ny ota
izay nandray ny tombony hatramin'ny fahalavoana mba hanjaka amin'ny mpanota sy hitondra
azy ho amin'ny fahafatesana. Ny sitrapon'Andriamanitra masina izay nambara tao amin'ny
lalana dia tsy noravan'i Kristy, fa notanterahany kosa, ka ao amin'ny lalan'i Kristy, ilay
didn'Andriamanitra masina, marina ary ara-panahy dia mahazo ny tena endriny farany izay
voambara mazava. Amin’ny alalan’ny herin'ny Fanahy Masina, ny Torah dia miditra ao
ampon'ny mpino an'i Kristy ka mahatonga azy ireo mahataneraka ny didim-pitiavana, izay
fahatanterahan’izany lalana izany.
Ambran'izany fa hafa tanteraka mihitsy ny fahazoan'i Paoly ny lalana amin'izao izy
apostoly izao raha oharina tamin'izy mbola fariseo. Araka ny 2 Korintiana 3:4-18, Paoly dia
mahatsapa ny tenany ho "antitype"-n'i Mosesy izay nametrahana ny fitokisana amin'ny
fanompoan'ny fahamarinana, na fanompoan'ny fanamrinana izay ao amin'ny fanekena vaovao
naorin'Andriamanitra tamin'ny alalan'i Kristy. Ireo “formules Paulinique” momba ny
Fanasan'ny Tompo ireo, dia ny fanekena vaovao no fototra, araka izay voalaza ao amin'ny
Jeremia 31:31-34. Mifono havi-dalina ihany koa izay ambaran'i Paoly Galatiana 6:2, 1
Page 13 sur 35
Korintiana 9:21, Rom 7:7-8:11, toy izany koa ny Romana 9:31 izay milaza ny Jiosy izay
niezaka nanatratra ny lalan'ny fahamarinana nefa dia tsy nahatratra izany noho ny amin'ny
ezaky ny tenany samirery. Paoly dia mahafantatra ny fampanantenana ao amin'ny Jeremia
31:31-34 sy ny fampianaran'i Jesosy momba ny sitrapon'Andriamanitra. Mino koa izy fa efa
tonga ao amin'ny Fiangonan'i Jesosy Kristy ny fotoana sy ny fahatanterahan'ny fanekena
vaovao, izay ahitana ireo Kristiana mpino ao amin'ny fanambarana vaovaon'ny Torah izay
voafaritry ny Fanahin'i Kristy araka ny nampanantenain'i Jeremia mpaminany. Zavatra mbola
tsy tanteraka teo amin'ny vahoaka Isiraely izany noho ny tsy finoany. Ny
sitrapon'Andriamanitra izay voambara ao amin'ny lalan'i Kristy dia tsy hafa fa izay nambara
tany Sinay ihany, fa saingy nomena lanja kokoa izay tena ivon'izany, dia ny fitiavana. Noho ny
amin'ny fahafatesan'i Jesosy ho fanavotana, ny finoana ary ny batisa, dia tonga miraikitra ao
am-pon'ny mpino ny sitrapon'Andriamanitra ary tonga manana ny fanomezan'ny Fanahy izy
ireo. Tahaka an'i Paoly koa, dia olona eo ambany lalan'i Kristy izy ireo, ary manatanteraka ny
lalan’Andriamanitra masina amin'ny alalan’ny herin'ny Fanahin'i Kristy Izay mitoetra ao
aminy. Amin'i Paoly, ny sitrapon'Andriamanitra ara-panahy dia ambara amin'ny endriny feno
ao amin'i Kristy. Tsy azo jerena amin'ny fomba dialektika anefa ny lalan'i Mosesy ao amin'i
Paoly, fa tsy maintsy jerena amin'ny fomba Biblika-teolojika kosa momba izay hita eo amin'ny
fahasamihafan'ny fanambarana ny sitrapon'Andriamanitra izay hita ho mifandray amin'ny
fomba dialektika ihany. Mbola mitoetra mandrakariva izany sitrapon'Andriamanitra izany, tao
amin'ny saha Edena fahizay, tany an-tehimbohitra Sinay, ary koa ao amin'i Kristy, ka mandray
ny fahatanterahany amin'ny fahafenoany ao amin'ny lalan'i Kristy (Torah of Christ).
CHAPTER 19:
IZAO TONTOLO IZAO, NY OLOMBELONA, NY FAHOTANA
Mifamatotra amin'ny teolojian'i Paoly momba ny lalana voalaza ery ambony ny fijeriny
izao tontolo izao manotolo. Ny lalana sy ny Filazantsara mantsy no itarafany izao tontolo izao
sy ny olombelona eo aminy ary ny fahotana. Ao amin'ny finoana an'i Kristy araka izany no
mampisy lanja ny "cosmologie" sy ny "anthropologie" ao amin'i Paoly. Izao tontolo izao sy
izay rehetra eo aminy dia lazain'i Paoly amin'ireto voambolana manaraka ireto hoe: ny zava-
boahary, izao tontolo izao, ny zavatra rehetra (ny tontolo sy ny olona eo aminy) ary ny fotoana
amin'izao (the present age). Araka an'i Paoly dia samy mila ny famonjen'Andriamanitra izy
rehetra ireo.
Manaraka ny hevitry ny TT sy ny “Judaisme Primitif” ihany koa Paoly ka milaza fa
Andriamanitra no Mpahary, ka mijery amin'ny alalan'izany izao rehetra izao ho zava-
boaharin'Andriamanitra. Noho ny fahalavoan'i Adama anefa, dia tonga teo ambanin'ny herin'ny
Page 14 sur 35
fahotana sy ny fahafatesana ary ny fahalovana izao tontolo izao, ary dia tonga lavitra
an'Andriamanitra sy teo ambany fitsarany. Raisin'i Paoly ao amin'ny fanazavany avokoa ireo
foto-kevitra Jiosy milaza ny amin'ny fahalavoana vokatry ny fahotan'i Adama. Araka an'i
Paoly, ny fanantenana ny famonjena hoan'ny mpanota sy ny zava-boahary dia ao amin'i Kristy
irery ihany. Teo amin'ny fanarahany ny sitrapon'ny Ray no nandravany ny fahefan'ny ota ka
nanorenany ny fanjakam-pahasoavana. Amin'ny maha-Zanak'Andriamanitra amin-kery sy
Lahimatoa tamin'ny maty Azy, dia hitondra famonjena hoan'ny olona rehetra sy ny zava-
boahary tsy ankanavaka Jesosy, ao anatin'izany Fiangonana. Paoly ary dia mijery izany
fisehoan'ny olom-boavonjy izany amin'ny voninahitra izay hidera ny Mpamorona eo amin'ny
zava-boahary vaovao.
Amin'i Paoly, izao tontolo izao dia anjakan'ny faharatsiana. na ny Jentilisa na ny Jiosy dia samy
eo ambany fahatezeran'Andriamanitra, satria na dia nahafantatra ny lalana aza ny Jiosy dia tsy
mba nahatanteraka an'izany noho ny fahalemeny. Ny mpino an'i Kristy anefa dia hafa noho
izany, efa nandray ny fanomezan'ny Fanahy Masina izy ireo, noho izany dia afaka mahafantatra
an'i Kristy sy Ilay Andriamanitra Mpahary ary ny sitrapony izay tsara sady ankasitrahana no
marina. Araka an'i Paoly dia tsy mandositra izao tontolo izao ny mpino an'i Kristy, fa miaina
eo anivon'izao tontolo izao kosa, dia izao tontolo izao izay ratsy sy feno fahotana sady
anjakan'ny Satana ka voatendry hoan'ny fitsaran'ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny andro
farany, kanefa ireo mpino an’i Kristy ireo dia midera an'Andriamanitra Mpahary sy Kristy Izay
Mpanalalana sy Mpanavotra. Zavatra roa arak'izany no neken'ny Fiangonan'i Paoly teo amin'ny
fotoam-pivavahana: 1) Ny sitrapon'Andriamanitra Mpahary Izay mamonjy no mamaritra ny
toeran'izao tontolo rehetra izao ao amin'i Kristy sy amin'ny alalan'i Kristy hatramin'ny
voalohany indrindra, 2) Ao amin'i Kristy, Izay nandrava ny fanjakan'ny ota tamin'ny
nahafatesany, no ahitana ilay tena endrik'Andriamanitra marina sy izay toetrany marina tokoa
amin'ny maha-lahimatoa tamin'ny maty Azy. Ny endrik'izao tontolo izao izay hita amin'izao
fotoana izao dia tsy ho hita intsony tsy ho ela, satria teo amin'ny asa fanelanelanany teo amin'ny
famoronana, Jesosy dia efa nanendry izao tontolo izao ho amin'ny fahafahana avy amin'ny
fahafatesana sy homem-boninahitra; ary ny Kristiana no hanambara izany amin'izao tontolo
izao, dia ny amin'ilay famonjena ho avy izay efa miposaka sahady.
Ny antropolojia dia tafiditra ao anatin'ny fampianaran’i Paoly momba ny famoronana.
Araka ny heviny dia zava-dehibe amin'Andriamanitra ny olombelona ka antony nanolorany ny
Zanany ho azy, ary noho ny amin'i Kristy dia hamarinin'Andriamanitra sy homeny voninahitra
izy. Amin'i Paoly dia mizara roa ny olombelona, dia ny Jiosy sy ny Jentilisa. Mihazona an'izany
fomba fijerin'ny TT sy ny Jiosy izany izy na dia Apostolin'i Kristy aza. Ny fahasamihafana eo
amin'ny Jiosy sy ny Jentilisa izay nifototra teo amin'ny fifidianan'Andriamanitra manokana ny
Page 15 sur 35
Jiosy dia tsy midika fa tsy nisy vokany teo amin'izy roa tonta ny fahalavoan'i Adama sy ny
herin'ny fahotana, fa samy mijija ny vokatr'izany izy roa ary samy hahafahana ao amin'Ilay
Zanak'Andriamanitra irery ihany Izay nijaly sy maty hanavotra mba hanao ny olona ho olom-
baovao. Paoly araka izany dia mampifandray ny Genesisy 1:26-27; 2:7 and Mark 10:45 ka
milaza an’i Kristy amin'ny alalan'izany ho Ilay Adama farany. Na dia miteny momba izao
tontolo izao sy ny famoronana aza i Paoly amin'ny ankapobeny, ny famelabelarany momba ny
olombelona (anthropologie) dia ao anatin'ny famelabelarany momba ny famonjena indrindra
(Soteriolojia). Azo ambara araka izany (miaraka amin'i Kasemann) fa ny anthrolojia no tena
fototra izay mitondra ny teolojian'i Paoly manotolo.
Amin'ireo mpanoratra rehetra ao amin'ny TV, dia i Paoly indrindra no tena maneho ny
olombelona ho zava-boahary lavo ao amin'ny fahotana sy ho olom-baovao ao amin'i Kristy, ao
amin'ireo terms antropolojika ireo no ahitana an'izany. Ny voambolana izay ampiasain'i Paoly
betsaka indrindra izay hilazany ny olombelona dia ny “το σωμα” (ny tena), ary raha jerena ny
fampiasan'i Paoly izany dia azo lazaina, araka ny hevitr'i Bultmann, fa ny olombelona dia tsy
manana “σωμα” fa izy mihitsy no “σωμα”. Ao anatin'ny “σωμα” ny “μελη”, izay samy
ampiasain'i Paoly ilazana ny tena. Ao amin'ny konteksta telo lehibe no ampiasain'I Paoly ny
hoe “το σωμα”: ny olombelona ivelan'ny maha-mpino azy, ny olombelona amin'ny mpino azy
(hoan'izay mino izany), ny olombelona mpino ao amin'ny fanantenany ny fitsanganan'ny tena
amin'ny maty. Araka an'i Bultmann, ny olombelona dia antsoina hoe: “σωμα” noho ny amin'ny
maha-tompona'andraikitra azy amin'izay rehetra ataony sy noho ny fifandraisany amin'ny
tenany manokana. Mitovy hevitra amin'izany koa Kasemann. Araka an'i Paoly, napetraka teto
amin'izao tontolo izao ho “σωματά” ny olombelona hatramin'ny fahalavoan'i Adama. Kanefa
dia ahafahana avy amin'izany ota izany sy ny ziogan'ny fahafatesana izy ireo, ary i Kristy no
hanafaka azy ireo amin'izany ka hamindra azy ireo ho amin'ny fanompoan'ny fahamarinana,
dia ny sitrapon'Andriamanitra.
Miaraka amin'ny noun “σωμα” ny hoe “σαρκ” ao amin'i Paoly, izay samy ilazany ny
tena avokoa. Fa izay tsy mampitovy azy roa dia izao: ny “σαρκ” dia ampiasaina hilazana ny
"tena" sy ny “toetran'olombelona amin'ny ankapobeny” ary ny “toetrany amin'ny maha-
mpanota azy”, raha lazaina eo amin'ny kontekstan'ny etika. Amin'ny teny Hebreo dia ny teny
hoe: “רׁשב” no nadikana izany, ary ao amin'ny TT dia hilazana ny nofon'ny olombelona sy an'ny
biby izany, dia eo amin'izay mampiavaka azy amin'Andriamanitra indrindra (Deut. 5:26; Pss.
56:4 [MT 56:5]; 78:38-39; Job 34:14-15). Ampiasain'i Paoly ihany koa izany teny izany,
hilazany ny olombelona amin'ny maha-mpanota azy eo anatrehan'Andriamanitra Mpahary. Hita
indrindra izany eo amin'ny fampiasan'i Paoly ny foma fiteny hoe: “κατα σαρκα” (araka ny nofo)
izay hanondroany ny fomba fiainan'ny olona tsy mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra.
Page 16 sur 35
Mitovy amin'izany koa ny hoe: “εν σαρκα” (ao amin'ny nofo). Ny terma atnhropolojika hafa
izay setry ny “σαρκ” dia ny “πνευμα” (miverimna in-146 ao amin'ny Pauline Corpus). Ny
“πνευμα” dia milaza ilay fiainana izay atolotr'Andriamanitra ny olombelona (cf. 1 Thess. 5:23;
1 Cor. 7:34; 2 Cor. 7:1; Rom. 1:9; 8:15). Mifandray ankaiky amin'ilay term hoe: “ψυχή” izany,
izay midika hoe: “fanahy” (soul). Ny “πνευμά” koa anefa dia milaza ny amin'ilay
herin'Andriamanitra masina izay mihazona ny olombelona ao amin'i Kristy (Gal. 4:6; 1 Cor.
2:12; 3:16; 12:4-11; 2 Cor. 1:22; Rom. 8:15-16, etc.). Miseho ho setry ny “σαρκ” ny “πνευμα”
amin'izay, ka ny fiainana “κατὰ πνευμα” (araka ny Fanahy) dia mifanohitra amin'ny fiainana
“κατα σαρκα” (araka ny nofo). Izany fiaianana araka ny Fanahy izany dia tsy hafa fa ilay
fiainana araka ny hery sy ny sitrapon'Andriamanitra sy Kristy, ka izany no hilazan'i Paoly azy
indraindray ho ilay fiainana araka an'i Kristy, “κατὰ Κυριον” (2 Cor. 11:17).
Ankoatr'izany dia milaza ny amin'ny fieritreretana koa Paoly, dia ny “συνειδεσις”. Tsy
mba hita ao amin'ny LXX izany terma izany, afa-tsy ao amin'ny Boky ny Fahendrena ihany
Eccl. 10:20; Sir. 42:18, ary tsy misy terma mitovitovy amin'izany ao amin'ny Hebreon'ny T.T.
Io terma io anefa dia miseho sy hita teo amin'ny literatiora grika efa hatrany amin'ny
fiandohan'ny taon-jato fahadimy, eo amin'ny fampiasany an'izany voambolana izany ary dia
asehon'i Paoly fa Jiosy helenistika ny tenany ary koa kristiana. Ity terma ity aminy dia milaza
ny amin'ny olombelona izay mahalala tsara sy afaka manavaka ny tsara sy ny ratsy (1 Cor. 8:7-
12; 10:25-29; Rom. 2:15; 9:1; 13:5).
Ireto manaraka ireto dia mbola anisan'ireo term antrolojika izay ampiasain'i Paoly: 1.
Ψυχή (fanahy), izay mifandray amin'ilay teny hebreo hoe “nephesh”. Ao amin'i Paoly dia
manambara ny olombelona amin'ny maha-zava-boahary azy, izay manana toe-po sy aina avy
tamin’Andriamanitra izany vomabolana izany (cf. 1 Thess. 2:8; 2 Cor. 1:23; 12:15; Rom. 2:9;
13:1; 16:4). 2. Ankoatr'izany dia ao koa ny “νους” sy ny “νουμα” (ny saina), izay manambara
ny amin'ny fahaizan'ny olombelona sy ny fahalalany izay mivoatra hatrany na koa ny “raison
de l'homme”. Araka an'i Paoly dia afaka hajambaina ity (2 Cor. 4:4; Rom. 1:28), na koa tena
malemy ka tsy afaka manao ny sitrapon'Andriamanitra (Rom. 7:23, 25), kanefa na dia izany
aza, dia afaka ho toerana izay hiasan'i Kristy izy, ary amin'izany dia hahalala ny tsara sy afaka
hivelona araka izany (Rom. 12:2; 1 Cor. 14:14-19). 3. Ny fahatelo dia ny ή καρδια (ny fo), ao
amin'i Paoly, ny heviny dia toy ny heviny ao amin'ny TT ihany ka milaza indrindra ny foiben'ny
maha-olona manotolo. Ny καρδια no ilay toerana ao amin'ny olona izay ahafahany
hifaneraserany amin'Andriamanitra izay mahita ny ao am-po rehetra (1 Thess. 2:4; 1 Cor. 4:5;
Rom. 8:27). Izy ihany koa no toeran'ny sitrapo (1 Cor. 4:5; 2 Cor. 8:16) sy ny fihetseham-po (2
Cor. 2:4; 6:11; Phil. 1:7; Rom. 9:2). Raha ny olona no mivelona amin'ny tsy finoana, dia ny
fony no maizina sady feno izao filana rehetra izao (Rom. 1:21, 24), mafy sady koa tsy mibebaka
Page 17 sur 35
(Rom. 2:5). Fa hoan'ny mino kosa, ny fony dia feno ny Fanahy Masina sy ny fitiavana
an'Andriamanitra ary toerana hoan'ny finoana (Gal. 4:6; 2 Cor. 1:22; Rom. 5:5) (Rom. 6:17;
10:9-10).
Amin'ny alalan'ny fampiasany ireo terma atnthropolojika ireo, dia asehon'i Paoly fa ny
olombelona no zava-boahary miavaka indrindra amin'ireo zava-boaharin'Andriamanitra izay
afaka ho tonga tokoa amin'ny tanjona marina tamin'ny nahariana azy amin'ny alalan'izay
anafahana azy avy amin'ny herin'ny fahotana. Ao amin'ireo mpanoratra ny TV rehetra, dia i
Paoly no miavaka indrindra amin'izany fanehoana izany. Anisan'ny fototra lehibe ahazoana ny
teolojian'i Paoly ny fisainany momba ny fahotana, ary misy fototra telo lehibe izany fomba
fiheverany momba ny fahotana izany: 1. Paoly dia efa nahafantatra ny tantara ao amin'ny
Baiboly, dia ao amin'ny Genesisy 3:1-24 izay milaza ny amin'ny fahalavoan'i Adama sy ireo
teksta izay milaza momba ny fahotana izay efa nohazavaina teo amin'ny Jodaisma (ohatra
Salamo 51). 2. Teo amin'ny Jodaisma izay niavian'i Paoly dia ny Torah no hitsarana ny olona
ka hanamelohana azy ho mpandika lalana sy mpanota, ary araka ny Romana 5: 13,20 dia izany
torah izany no mampiharihary ny fahotana sy ny maha-mpandika ny sitrapon'Andriamanitra ny
olombelona ka mendrika ho eo ambany fitsaran'Andriamanitra. 3. Ankoatr'izany, Paoly tenany
dia efa nahita fa na dia ny fahazotoana masina momba ny lalana, izay nampiavaka azy sy ireo
Jiosy namany (Gal. 1:14; Rom. 10:2), dia manohitra ny asam-pamonen'Andriamanitra ao amin'i
Kristy. Paoly dia efa nahita teo amin'ny tenany sy teo amin'ny teksta biblika fa ny ota dia hery
manokana izay ivelany sy ambon'ny olombelona, ary azo fehezina toy izao izany: Ny fahotana
araka ny soratr'i paoly dia tafiditra teto amin'izao tontolo izao tamin'ny alalan'i Adama ary
nolovan'ny taranaka rehetra antsitra-po noho ny amin'ny Adama izay nandika ny
sitrapon'Andriamanitra nandositra an'Andriamanitra ka niezaka nivelona irery tamin'ny
herin'ny tenany.
Terma samihafa no ampiasain'i Paoly handroana ny fahotana: “αι αμαρτιαι” (sins) (1
Thess. 2:16; Gal. 1:4; 1 Cor. 15:3), “τα ἀμαρθεματα” (sins) (Rom. 3:25), “τά παραπτωματα”
(trespasses) (2 Cor. 5:19; Rom. 4:25), “αι παραβασισ” (transgressions) (Gal. 3:19; Rom. 2:23;
4:15). Amin'ireo rehetra ireo dia ny ἀμαρτια no ampiasain'i Paoly izay hanondroany ny
"personofication"-n'ny fahotana, ka hilazana azy ho hery manokana ivelan'ny tenan'ny
olombelona (cf. Gal. 3:22 and throughout Rom. 5:12-8:10). Mazava izay lazain'i Paoly ao
amin'ny Romana 5:21 fa ny ota dia nanjaka tamin'ny olona rehetra ary dia nahatratra ny olona
rehetra koa ny fahafatesana, ary ao amin'ny Galatiana 3:22, 4:5 sy ny Romans 6:16, 20; 7:14
dia ambarany fa ny ota dia hery manandevo. Hatramin'ny naha-Apostoly an'i Paoly teny an-
dalana mankany Damaskosy, dia tsy nitovy fijery tamin'ny Jiosy namany taloha intsony izy
izay nilaza fa ny olona hatramin'ny fahalavoan'i Adama dia mbola afaka manana sitrapo afaka
Page 18 sur 35
sy manana hery mandositra ny fahotana amin'ny fanarahana sy ny fanatanterahana ny Torah.
Fa amin'i Paoly dia i Kristy irery ihany no afaka manafaka ny olona avy amin'ny herin'ny
ota satria Izy irery no afaka nandresy ny fanjakan'ny ota (Rom. 5:15-21; 8:3-4). Ny fisehoan'ny
fahalavoana amin'ny fahotana araka an'i Paoly dia ny fahalovana sy ny fahafatesana izay
nahatratra ny voahary manotolo hatramin'ny fahalavoan'i Adama (cf. 1 Cor. 15:26, 56; Rom.
5:12-21; 8:20). Izao rehetra izao ary dia eo ambany fitsaran'ny fahatezeran'Andriamanitra izay
efa hitan'ny Apostoly fa ho tonga tsy ela (cf. 2 Cor.5:10; Rom. 2:16; 14:10 with Dan. 7:26-27;
12:2-3; 1 En. 91:11-14). Ny mpanota dia hijoro eo anatrehan'Ilay Andriamanitra Mpitsara
amin'ny maha-fahavalony azy (ekthroi) (cf. Rom. 5:10 with Pss. 37:20; 68:22; 74:18; 92:10,
etc.), satria ny nofo izay anjakan'ny ota dia fahavalon’Andriamanitra (Rom. 8:7). Ny fahotana
dia tsy mitondra ny mpanota ho amin'ny fitsarana ihany, fa mahatonga azy ho mpanohitra
an'Andriamanitra indrndra koa; ary raha tsy i Kristy no manafoana ny sazin'ny fitsaraa izay ho
entin'izany ota izany, dia fijaliana sy fahafatesana mandrakizay no miandry mpanota (cf. Rev.
20:14-15; 2 Thess. 1:9). Izany no tambin'ny ota, araka ny Romana 6:23.
Araka ny 1 Corinthians 5:1-13; 6:1-8; 11:27-31, Paoly koa dia miresaka ny amin'ny
olan'ny fahotana eo amin'ny Kristiana. Ambarany ao amin'ny Romana 7:7-25 sy 8:1-17 fa tsy
afaka tanteraka amin'ny ota ny Kristiana hatramin'ny fahafatesana. Na izany anefa, dia mazava
araka ny Galatiana 3:26-28; 4:4-6; 1 Corinthians 6:11; 12:13; 2 Corinthians 5:17; Romans 8:3-
4, fa ny Kristiana izay efa natao Batisa ka nandray an'i Kristy amin'ny finoana dia tsy mba
mitovy amin'ny tsy mpino. Mbola mivelona eo amin'ny nofo izy ireo ka noho izany dia mbola
iharan'ny fakampanahy samihafa, sady mbola malemy. Na izany anefa dia tsy manan-kery
aminy intsony sy ny fahafatesana (Rom. 6:9, 14), ary tsy tahaka ireo tsy mpino izy ireo any
amin'ny fitsarana farany satria manana an'i Kristy ho Mpanelanelana izy ireo (cf. 1 Cor. 3:15;
5:5; Rom. 8:31-39). Hazavain'i Paoly koa fa ao amin'i Kristy ny Kristiana dia olom-baovao, ary
noho izany dia afaka manohitra tsara fakampanahy ho amin'ny fahotana amin'ny alalan'ny
herin'ny Fanahy Masina (Rom. 8:9-13; Phil. 2:12-13).
CHAPTER 20
KRISTY, FARAN’NY LALANA
Ny Kristolojia, dia azo lazaina fa ivon’ny teolojian’I Paoly. Zavatra roa no tokony ho
ao an-tsaina rehefa miresaka anizany ivon’ny teolojia Paolinika izany. Ny voalohany dia ny
zavatra izay nampahitan’i Kristy azy teny an-dalana ho any Damaskosy, izay nahazoany
fahalalana ny Kristolojia izay efa nivelatra tao amin’ny Fiangonana tany Damaskosy,
Jerosalema, ary Antiokia. Ny faharoa izay vokatr’izany dia ny tsy maintsy hanavahana tsara ny
lovan-tsofina sy ny fanazavan’ny tenany manokana ny amin’izany Kristolojia izany. Rehefa teo
Page 19 sur 35
an-dalana andeha hanenjika ny Fiangonana Kristiana ilay Paoly fariseo, dia niseho taminy
tamin’ny voninahitr’Andriamanitra Ilay Kristy nasandratra (Gal. 1:11-17). Ilay Jesosy avy any
Nazareta Izay voahombo tamin’ny hazo fijaliana, ary notompoin’ireo Kristiana ho Tompo sy
Mesia nasandratr’Andriamanitra, Izy ihany koa no fototra sy anton’ny fanakianan’I Stefana sy
ny ekipany ny Tempoly sy ny Torah (cf. Acts 6:11-14), no niseho tamin’i Paoly ilay mpanenjika
teny an-dalana mankany Damaskosy ho Ilay Zanak’Andriamanitra amin-kery (Rom 1:4).
Fantatr’i Paoly tamin’ny alalan’izany fa eo anatrehan’ny voninahitr’Andriamanitra eo
tavan’Ilay Kristy nisandratra dia tsy misy dikany intsony ny voninahitry ny Torah izay
notompoiny teo aloha (cf. 2 Cor. 3:7-18; 4:5-6). Tsapan’i Paoly tamin’izany koa fa tsy
mitondra famonjena ny fiarovana ny Torah, fa ny finoan’ireo Kristiana an’Ilay Κύριος Ἰησοῦς
Χριστός ihany. Hatramin’izany fanambarana vaovao taminy izany dia nitory an’I Kristy ho
Ilay faran’ny lalana I Paoly (τέλος νόμου) mba ho fahamarinana hoan’izay rehetra mino
(Romana 10: 4). Ny fomba izay itoriana an’i Kristy ho Ilay hany ahazoana ny
fahasoavan’Andriamanitra, ho Ilay Tompo nisandratra, ary ho Ilay faran’ny lalana no
nanamarika indray ny fomba fijerin’ny Apostoly Paoly an’i Kristy hatramin’izany raharaha tao
Damaskosy izany, ary ny misionan’ny Fiangonana izay nejehiny teo aloha dia tohanany
ankehitriny. Izany Fiangonana izany dia efa nanana ny fanekem-pinoana Kristolojika izay
mihazona ny fampianaran’Ilay Jesosy aran-tantara. Izany fanekem-pinoana Kristolojika teo
amin’ny Fiangonana talohany izany dia voarain’i Paoly, ary izany dia narafiny indray mandeha
tao amin’ny toriteniny sy tao amin’ny fampianarany.
Ilay “Tradition Christologique” izay noraisin’ny Apostoly dia natolony koa tamin’ny
fomba mnokana tamin’ny alalan’ireo “citations” izay tena manan-karena tokoa ao amin’ny
fotony. Noraisin’I Paoly avy tamin’ireo Fiangonana Helenistika izany izay Fiangonana
talohan’I Paoly nanana ireo “Formule” Kristolojika ireo izay efa hita ihany koa tao amin’ny TT
milaza an’I Kristy ho Ilay Mesia, Mpanompo mijaly, ary Ilay Κύριος nasandratra ho eo an-
tanana ankavanan’Andriamanitra ary hanorina ny Fanjakan’Andriamanitra. Ao amin’ny
Kristolojiany anefa dia tsy miankina amin’izany lovan-tsofina Kristolojika izany izany ihany
Paoly, fa izy tenany koa dia tonga tompon’andraikitra tamin’izany (proponent).
Eo amin’ny fijerena feno ny lovan-tsofina Kristolojika ao amin’I Paoly, dia tsy maintsy
jerena ankapobeny ny amin’ny teolojia izany. Tamin’ny fihaonany tamin’i Kristy nisandratra
teny an-dalana mankany Damaskosy dia nahatsapa voalohany indrindra ny
fahasoavan’Andriamanitra Izay namonjy azy Paoly (Roma 15:7), ary nahatsapa ihany koa fa
voahantso ho Apostoly (cf. 1 Cor. 15:10; 2 Cor. 2:14; Rom. 1:5). Talohan’ny nitoriany ny
Page 20 sur 35
amin’ny Filazantsara momba ny “Teny Fampihavanana” anefa (λογός τῆς καταλλαγῆς, 2 Kor
5:19), dia izy tenany mihitsy no efa nahatsapa tamin’ny tenany fa Andriamanitra tao amin’i
Kristy sy tamin’ny alalan’i Kristy no nampiahavana ny mpanota Taminy sy nanamarina azy
izay mpanota. Izany fahatsapana izany no nanomana azy teo amin’ny toriteny ampahibemaso
izay nataony sy ny fampianarany momba an’I Kristy. Nakambany tamin’ny lovan-tsofina
momba an’i Kristy izay noraisiny tamin’ny Fiangonana talohany, (araka izay voalaza tery
ambony), ary dia tonga fanalahidy fototra teo amin’ny Kristolojiany sy ny Kristolojia tao
amin’ireo Fiangonana rehetra izay naoriny izany. Toy izao no fizotr’izany Kristolojia izany:
Andriamanitra dia nanambara ny tenany tamin’ny voahariny hatramin’ny voalohany, tamin’ny
alalan’Ilay Mpanelanelana tamin’izany fahariana izany, dia I Kristy (1 Kor 8:6). Rehefa tonga
ny fotoan’andro, izany Andriamanitra izany dia naniraka ny Zanany teto amin’izao tontolo izao
hamonjy izao tontolo izao tamin’ny nahafatesany (Gal 4:4). Ny fampihavanana sy ny
fanamarinana amin’ny alalan’ny fahafatesam-panavotan’i Jesosy Kristy dia
asan’Andriamanitra irery ihany satria: “Izy ao amin’I Kristy no nampihavana izao tontolo izao
Taminy (2 Cor. 5:19; cf. 18-21); Izy no nanolotra an’i Kristy noho ny fahadisoantsika sy
nanangana Azy indray ho fanamarinana antsika (Rom4:25); Izy koa no nanadratra Azy sy
nanome Azy ny Anarana Ambony indrindra, hoe: “Tompo” (Filipiana 2: 9-11); Izany
Andriamanitra izany ihany no nanambara an’i Kristy nisandratra tamin’I Paoly teny an-dalana
hoany Damaskosy ary niantso azy ho Apostoly (Gal. 1:15-16; 2 Cor. 2:14-16; 4:5-6). Noho
izany ny Filazantsaran’ny famonjena izay napetraka tamin’i Paoly dia ny
Filazantsaran’Andriamanitra momba an’i Jesosy Kristy (Rom 1: 1-6). Amin’ny alalan’Ilay
Kristy nisandratra, no hanorenana ny Fanjakan’Andriamanitra (1 Kor 15:23-28), amin’ny
fiavian’I Kristy no hanorenana izany izany Fanjakana izany, ary ny fananetam-pamonjena
tamin’ny vahoaka Isiraley dia ho tanteraka (1 Kor. 15: 23-28; Rom. 11: 25-32); any amin’ny
fitsarana farany, Kristy dia hanelanelana ny mpino (Rom. 8:33-34) araka ny
sitrapon’Andriamanitra Izay manamarina ny mpanota (Rom.4:5;5:6). Amin’ny farany dia I
Kristy no hitondra ny fianakaviamben’ny mpino ho amin’ny fiderana an’Andraiamanitra feno
sy tanteraka ao amin’i Kristy sy amin’ny alalan’i Kristy (Rom.11:32; 1 Kor. 15:28). Hita araka
izany rehetra izany fa ny Kristolojian’I Paoly dia mahafaoka ny asam-pamonjen’Andriamanitra
rehetra, izay voarafitra amin’ny fomba “Theocentrique” sy “Soterilogique”.
Azo zaraina telo izany rafitra izany: Ny voalohany dia ny fisian’i Kristy talohan’izao
rehetra izao (preexistence of Christ) sy ny asa fanelanelanany teo amin’ny famoronana. Eto no
manomboka ny “movement” voalohany, dia ny fanirahan’Andriamanitra ny Zanany teto
amin’izao tontolo izao. Ny “movement” faharoa dia ny fanatanterahana ny asa fampihavanana
Page 21 sur 35
sy fanamarinana tamin’ny alalan’ny fahafatesan’i Kristy teo Ambony hazo Fijaliana sy ny
fitsanganany. Ary ny “movement” fahatelo dia ny fanandratana an’i Jesosy Kristy sy ny asany
izay mitondra ho any amin’ny fahatanterahana feno sy tanteraka. Ny tanjona sy ny hiafara’ny
misionan’i Kristy sy asan’i Kristy ary dia ny hanompoana an’Andriamanitra ao amin’ilay
Fanjakan’Andriamanitra tanteraka. Raha aravona izany rehetra izany dia izao: Paoly dia
mampianatra antsika fa Jesosy Kristy dia Ilay Mesia Zanak’Andriamanitra sy Mpampihavana
Izay manorina ny fahamarinan’Andriamanitra ka mitondra famonjena sy fahatanterahana
hoan’ny Isiraely sy ny Jentilisa ary ny voahary manotolo.
CHAPTER 21
NY FILAZANTSARA, FANAMARINANA, ARY NY FINOANA
Ireto foto-kevitra telo ireto: Ny Filazantsara, ny Fanamarinana, ary ny Finoana
(εὐαγγέλιον, δικαίωσις, πίστις) dia manondro ny fon’ny teolojia misionan’i Paoly. Ireo mantsy
no mandrafitra ny hafatry ny famonjena izay toriany. Raha fehezina kely aloha izay voalaza
tery amin’ny chapitre teo aloha, dia izao: raha mbola nanenjika ny Fiangonana i Paoly teny an-
dalana hoany Damaskosy, dia nihaona tamin’Ilay Kristy nisandratra Ilay faran’ny lalana
(Rom.4:10), ary voahantso ho Apostoly sady nametrahana fitokisana amin’ny fitoriana ny
Filazantsara (Rom.1:5), ka hatramin’izany dia nitory ny Filazantsara izy (1 Kor. 9:16). Ao
amin’izany no hametrahan’i Paoly ny “accent” fototra eo amin’ny Filazantsara izay toriany izay
mifototra amin’ny fanazavana Kristolojka ny fahafatesan’i Jesosy teo ambony hazo fijaliana sy
ny fitsanganany. Izy dia matetika mampifandray an’izany amin’ny fanekem-pinoana sy ireo
“Formule Christologique” izay efa nivelatra teo amin’ny Fiangonana talohany. Kanefa na dia
izany aza, dia namolavola azy ihany koa ny fahatsapana manokana teo amin’ny fiainany ka
nitoriany an’i Kristy amin’ny fomba mitsikera hatrany ny Torah.
Araka ny Galatiana 1: 11-23, 2 Korintiana 4:1-6, ary ny Romana 1:1-5, Paoly dia
manambara fa ny Filazantsarany dia avy amin’ny fisaintsainan’ny olona fa
fanambaran’Andriamanitra taminy tamin’ny alalan’ny fisehoan’i Jeosy Kristy. Ary noho izany
dia tsy maintsy manompo sy mitory Ilay Filazantsara Izay nambara taminy izy (Rom.15:16).
Ny Filazantsaran’Andriamanitra (εὐαγγέλιον τοῦ Θεοῦ) (Rom.1:1) izay torian’ny Paoly
Apostoly dia miasa ho Tenin’Andriamanitra velona (1 Thess. 2:13; 2 Cor. 4:4-6; 5:20). Paoly
tenany dia mitory tokoa an’izany Filazantsara izany. Ao amin’izany no ahitany koa ireo
Apostoly sandoka izay mitory Filazantsara hafa izay tsy avy amin’Andriamanitra (cf. Gal. 1:6-
9; 2 Cor. 11:2-4.13-15). Na dia nisy teo amin’ny “Culte Imperiale” tamin’izany fotoana izany
aza ny atao hoe: “filazana na fanambarana vaovao mahafaly”, ny Filazantsara na ny Vaovao
Mahafaly Izay torian’I Paoly kosa dia hafa tanteraka, satria Filazantsaran’Andriamanitra
Page 22 sur 35
momba an’i Jesosy Kristy no niantsoana azy ho toriana tamin’ny nisehoan’i Kristy Ilay
nisandratra taminy (1 Cor. 15:1-11).
Raha akambana ny “declaration programatique” ao amin’ny Romana 1:16-17 sy ny
fanazavan’i Paoly ao amin’ny Romana 3:21-26, dia hita fa ny Filazantsara dia hafatra momba
ny fanamarinana ny tsy marina (Rom. 4:5; 5:6). Izany fahazoana ny fanamarinana izany dia
mifandray amin’ny fahatsapana manokana teo amin’ny fiainany tamin’ny fiantsoana azy ho
Apostoly ary indrindra ny toetran’ny teolojia misionany. Ny fanamarinana ihany koa dia
manana fototra aran-tantara sy tradisiona teo amin’ny Finagonana talohan’i Paoly izay nivelatra
avy tamin’ny toritenin’i Jesosy fony mbola tety an-tany sy ny fanambaran’ny Soratra Masina.
Ny terminolojia ao amin’i Paoly izay nilazana ny fanamarinana dia mifototra ao amin’ny TT
sy ny fanantenana eskatolojika teo amin’ny Jodaisma. Araka ny 2 Korintiana 5:10 sy Romana
14:10, izy dia mahita ny fitsarana farany ho efa ankaiky, ary ny fampianarany momba ny
fanamarinana dia jerena ao anatin’izany fanantenana ny hiavian’ny andro farany izany. Manana
hevitra lehibe ao amin’izany ny fanamarinana satria ao amin’izay no ahitana ny Jiosy sy ny
Jentilisa hijoro eo anatrehan’ny seza fiandrianan’Adriamanitra amin’ny fitsarana farany, ary
hiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, rehefa afaka ny fitsarana.
Raha ny amin’ny finoana kosa no lazaina, dia azo ambara fa i Paoly no manindry
indrindra ny amin’izany raha oharina amin’ireo mpanoratra hafa ao amin’ny TV. Ary izany dia
tsy hafa fa ny finoana an’i Kristy izay miseho ho setry ny fiainana teo ambanin’ny lalana na
koa ny fiainana teo amin’ny faha-jentilisana. Amin’ireo terms izay ampiasainy momba ny
finoana ireo, dia hita fa mampifandray izany hatrany amin’ny foto-kevitra izay nivelatra teo
amin’ny Fiangonana talohany izy, ary matetika dia miverina mankany amin’ny TT. Raha
maneho ny finoana (πιστεύειν) i Paoly ary ny asa (ἐργάζεσθαι) ho setr’izany, sady koa milaza
ny amin’ny finoan’ Abrahama izay ahitana an’Andriamanitra manamarina ny tsy marina, dia
hita mazava izay mampiavaka azy ny amin’ny foto-kevitra momba izany finoana izany raha
oharina tamin’ny hevitra izay nanjaka teo amin’ny Jodaisma. Amin’i Paoly, ny finoana dia tsy
zavatra ananan’ny olona noho ny fahamendrehana na koa fahatokiana (faithfulness), fa zavatra
tonga teto amin’izao tontolo izao niaraka tamin’ny fahatongavan’i Jesosy Kristy (Gal. 3:23-
25). Misokatra hoan’ny Jiosy sy ny Jentilisa amin’ny alalan’ny Filazantsara izany (Gal. 3:2;
Rom. 10:17), ary izy (ny finoana) no maha-izy azy ilay fiainana vaovao miaraka amin’i Kristy
izay iainan’ny Kristiana rehetra. Nanomboka teo amin’ny fahatsapana teny an-dalana mankany
Damaskosy sy ny amin’ny fanambarana, i Paoly dia nahazo fahalalana vaovao ny amin’ny
πίστις sy πιστεύειν izay tohanany mafy eo anatrehan’ireo Jodaista sy ireo Kristiana Jiosy izay
nanohitra mandrakariva ny Filazantsarany ny amin’ny fanamarinana. Talohan’ny naha-
Page 23 sur 35
Apostoly azy, dia niezaka tokoa Paoly ny nanazava ny finoana izay nataony ho ny fatahorana
an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fitandremana ny didn’ny Torah sy mivelona araka izany
amin’ny maha-Fariseo. Teo anatrehan’ny fihaonana tamin’i Krsisty teny an-dalana hoany
Damaskosy anefa, dia nisy ny “reevaluation”-n’izany foto-kevitra izany, ary ny fanampian’i
Jesosy Kristy sy ny “language”-n’ny Fiangonana Voalohany ny amin’ny finoana, dia mandroso
foto-kevitra vaovao ny amin’izany Paoly.
Ny πίστις amin’i Paoly dia tonga (comes) sy mivelatra (grows) avy amin’ny
fandrenesana (hearing) ny teny amin’ny finoana izay torian’ny Apostoly (Rom.10:17).
Fanomezan’Andriamanitra izany izay manafaka ny olona amin’ny fanjakan’ny ota ho amin’ny
fiainana vaovao eo ambany fanjakan’i Kristy. Tamin’ny nanirahana ny Zanany teto amin’izao
tontolo izao, Andriamanitra dia nanambara ny amin’ny finoana ihany koa izay misokatra ho
an’ny Jiosy sy ny Jentilisa, dia ny fanamarinana noho ny finoana irery ihany. Ny πίστις dia
ambara amin’ny olombelona amin’ny alalan’ny fitoriana ny Filazantsara izay efa naorin’i
Kristy tenany; izany koa dia valin-teny izay eo ambany fitarihan’ny Fanahy manoloana ny
antson’ny Filazantsara ho amin’ny fibebahana marina (Gal.3:2). Ao amin’ny herin’izany
Fanahy izany, ny mino dia manaiky an’i Kristy Izay nasandratr’Andriamanitra (1 Kor. 12:3).
Ny finoana ary ao amin’ny Paoly dia ilay fiainana vaovao ao amin’ny Fanahy izay
sokafan’Andriamanitra hoan’ny olona rehetra ao amin’i Kristy amin’ny alalan’ny Filazantsara,
miaraka amin’ny fanantenana sy ny fitiavana izay mitoetra ho mandrakizay (1 Kor.13:13).
Ao amin’ny finoana izay azo avy amin’ny toriteny, ny mpino (πιστεύοντες) dia manaiky
ny asam-pamonjen’Andriamanitra ao amin’i Kristy izay efa vita ho azy ireo, ary iainana ilay
fanamarinana amin’ny finoana irery ihany fa tsy amin’ny asan’ny lalana. Izany fanekena an’I
Kristy izany, araka ny voalaza ao amin’ny Romana 10:9, dia amin’ny alalan’ny fanekem-
pinoana (confession) (ὁμολογία, ὁμολογέω) izay hanoloran’ny mpino tsirairay avy ny tenany
hoan’Andriamanitra sy hoan’i Kristy. Ao amin’izany fanekem-pinoana izany dia manaiky ny
maha-mpanota azy sy ny tsy mahatanteraka azy eo anatrehan’Andriamanitra ny mpino, kanefa
koa dia manana ny famonjen’Andriamanitra izy ireo izay tsy avy amin’ny herin’ny tenany fa
noho ny fahasoavan’Andriamanitra sy noho ny fanampian’ny Fanahy Masina (cf. Gal. 2:16; 1
Cor. 1:26-30). Araka an’i paoly ary dia samy mandray fanamariana noho ny finoana irery ihany
fa tsy avy amin’ny asan’ny lalana na ny Jiosy na koa ny Jentilisa (Rom.3:28). Andriamanitra
no manolotra finoana ho azy ireo amin’ny tenin’ny Filazantsara, ary manolotra ho azy ireo koa
famelan-keloka sy fiainam-baoo ao amin’i Kristy. Izy ireo ary dia olona nohamarinina, tsy noho
ny fahamendrehany anefa fa noho ny fahasoavana irery ihany noho ny amin’i Kristy.
Page 24 sur 35
CHAPTER 22
NY SAKRAMENTA, NY FANAHY, ARY NY FIANGONANA
Satria Paoly dia Apostoly misionera, dia tsy maintsy nihevitra hatrany izy ny amin’izay
nety ho vokatry ny toriteniny teo amin’ny Fiangonana. Noho izany no ahitana ao amin’ny
Epistiliny ireo adi-havitra maro momba ny endriky ny Fiangonan’i Jesosy Kristy sy ny
fahazoana marina ny Batisa sy ny Fanasan’ny Tompo, ary indrindra ireo fanambarany momba
ny Fanahy Masina. Araka ny Galatians 2:7-10; Romans 1:5; 11:13-14 and 15:15-24, Paoly sy
Barnabasy dia nanana andraikitra eran’izao tontolo izao ny amin’ny misiona tamin’ny Jentilisa.
Taorian’ny “voyage” misionera niarahana tamin’i Barnabasy, dia nanatanteraka ny asa
samirery i Paoly, ary ny tanjony tamin’izany dia ny mba ahafahana mitondra ny famonjena
hatrany ho amin’Isiraely amin’ny alalan’i Kristy.
Avy tamin’ny Fiangonana tany Damaskosy sy Jerosalema, ary Antiokia no nandraisan’i
Paoly ny foto-kevitra momba ny batisa sy ny lovan-tsofina momba izany batisa izany. Tao
amin’ireo Fiangonana ireo, ny batisa dia nifamatotra hatrany tamin’ny toriteny momba izany
batisa izany, izay notanterahana tamin’ny Anaran’i Jesosy Kristy. Ny batisa dia nahazoana
famelan-keloka, ary koa mahatonga ho mambran’ny Fiangonana, ary izay vita batisa dia
miombona amin’ny raharahan’ny Fanahy Izay mampandeha ny raharahan’ny Fiangonana
rehetra. Ireo rehetra ireo dia hita avokoa ao amin’i Paoly. Ny batisa koa anefa aminy dia tsy
maintsy ialohavan’ny fitoriana ny Filazantsara hatrany izay mamelona ny finoana (1 Thess.
1:9-10; Gal. 3:2; Rom. 10:17; Eph. 1:13-14); ary nanao fananarana momba ny batisa sady nanao
batisa tamin’ny Anaran’i Jesosy Kristy koa i Paoly (cf. 1 Cor. 15:1-5 with Rom. 6:17; 1 Cor.
1:13-15; 6:11). Nihevitra ny batisa ho manadio amin’ny ota rehetra koa izy, ary nilaza ny
amin’ny fanomezana ny Fanahy Masina izay mifamatotra amin’izany (1 Kor. 6:11; 12:13). Tsy
mbola nanoratra momba ny batisan-jaza anefa i paoly1, fa izay lazainy kosa dia ny amin’izany
batisa izany amin’ny maha-fampidirana ny olona ho isan’ny mambran’ny Fiangonana azy. Ka
amin’izany no hanazavan’i Paoly ny batisa ho karazana kion-dalan’ny olona iray avy amin’ny
tontolon’ny faha-jentilisana na avy amin’ny fiainana Jiosy ho amin’ny fisiana vaovao ao
amin’ny finoana amin’ny fiarahana amin’ireo mpino izay manaiky an’i Kristy ho Tompo sy
Mpamonjy. Tamin’ireo Kristiana izay nanoratan’i Paoly ireo ary, dia nomarihiny mandrakariva
ny batisa izay kion-dalana eo amin’ny fiainana izay hanombohan’ny olona iray ny fiainana
amin’ny maha-Kristiana (cf. Gal. 3:25-28; 1 Cor. 6:11). Araka an’i Paoly dia tsy maintsy misy
fiovana eo amin’izay tompoina no miseho eo amin’ny batisa. Ny vita batisa rehetra dia afaka
1 Sahala amin’izany miseho ankehitriny, azo heverina ho tsy mbola adi-hevitry ny Fiangonana tamin’ny andron’I Paoly mantsy izany.
Page 25 sur 35
amin’ny herin’ny ota ho eo ambany fanapahan’ny Jesosy Kristy Tompo. Niaraka nohomboana
tamin’i Kristy izy ireo, maty ho amin’ny ota, ary nalevina niaraka tamin’i Kristy tao amin’ny
fahafatesany, ary miombona amin’ny fitsanganany (cf. Rom. 6:4 with Col. 2:12; 3:1), ary farany
dia manolo-tena Aminy amin’ny maha-Tompo velona Azy ka tsy manompo ny ota intsony fa
manompo ny fahamarinana kosa, izay sitrapon’Andriamanitra.
Miaraka amin’ny Fiangonana talohany, Paoly dia mahita fa ny fiainan’ny Kristiana
tsirairay sy ny fiainan’ny Fiangonan’i Jesosy Kristy dia voafaritry ny Fanahy Masina, Izay
miasa amin’ny alalan’ny Filazantsara sy ao amin’ny batisa. Raha oharina amin’ny Fiangonana
talohany anefa, dia hita ho somary amin’ny hevitra Kristolojika kokoa ny ahazoan’i Paoly ny
Fanahy Masina. Ao amin’izany Fanahy izany mantsy no ahitany an’Ilay Kristy voahombo sy
nitsangana miaraka amin’ny Fiangonany sy ireo mpino tsirairay. Hita izany rehetra izany ao
amin’ny fanazavana ny hevitry ny Eks. 34:34 ao amin’ny 2 Korintiana 3:17-18 sy ny 1
Korintiana 15:45 and Romana 8:9-10. Azo fehezina amin’ireto teboka efatra manaraka ireto
ary ny fahazoan’i Paoly ny Fanahy Masina. 1) Ny Fanahy dia ny herin’i Kristy izay raisina
amin’ny alalan’ny fanekena ny Filazantsara izay norenesina sy ny fanekena ny batisa (Gal. 3:2-
3; 1 Cor. 6:11; 12:13). Paoly dia mampitovy ny πνεῦμα Χριστοῦ Izay nomena ny mpino sy ny
Fanahin’ny fananganan’anaka (υἱοθεσία) Izay iantsoan’ny mpino an’Andriamanitra (tahaka
an’i Jesosy koa) ho Ray hoe: “Aba Ray o” (Rom. 8:15-16; cf. Gal. 4:5-6). 2) Ny Fanahy Masina
dia mitondra sy mamaritra ny fiainana ara-panahin’ny Kristiana. Izy no hery sy fahafahana ho
amin’ny finoana (Gal. 2:19-20), ho amin’ny fanekena an’i Kristy (1 Kor.12:3; Rom.10:9), ho
amin’ny fahalalana an’Andriamanitra sy ny Soratra Masina (1 Kor. 2:7-16; 2 Kor. 3:12-18), ho
amin’ny vavaka (Gal.4:6; Rom.8:15), ary ho amin’ny fanompoam-pivavahana, ka dia hita
amin’izany fa mamaritra ny fiainana manotolon’ny olom-boavonjy ny Fanahy ao amin’i Paoly
(Kol. 3:16-17). 3) Ny Fanahy Masina dia hery sy “norme” eo amin’ny fiainana vaovao izay
iainan’ireo Kristiana ao amin’ny Tompo ka amin’izany no iezahan’izy ireo amin’ny fanoloran-
tenany isan’andro amin’ny fanompoana izay ataony eto amin’izao tontolo izao (Gal. 5:15-26;
Rom. 8:2, 4-14; 12:1-2). Izany no mahatonga an’I Paoly mananatra ireo Kristiana tao Galatia
fa raha velon’ny Fanahy dia tokony handeha araka ny Fanahy (Gal. 5:25), ary miteny tamin’ny
Kristiana tany Roma ny tokony handehanana araka ny Fanahy (κατὰ πνεῦμα) (Rom.8:4-5). Ny
“standard”-n’izany fiainana vaovao izany dia ny lalan’i Kristy (Gal.6:2). 4) Ny Fanahy Masina
no mampandeha (manetsika) ny Fiangonana. Ny Apostoly Paoly no miresaka voalohany
indrindra ao amin’ny TV ny amin’ireo fanomezana samihafan’ny Fanahy na ireo fanomezam-
pahasoavana (πνευματικά sy χαρίσματα) izay an’asa mndrakariva ao anatin’ny Fiangonana
amin’ny maha-hery sy mpampanolotra ny fahasoavan’Andriamanitra azy. Ireo fanomezan’ny
Fanahy samihafa ireo no mandrafitra ny fiainam-piangonana, dia ny olom-boavonjy sy
Page 26 sur 35
vavolombelona izay manome ny mambra tsirairay ao amin’ny tenan’i Kristy ny toerana izay
tsy mba azo soloina, araka izay hita ao amin’ny 1 Korintiana 12:4-11. Ny hevitra
ekleziastikalin’ny fampianaran’i Paoly momba ireo fanomezan’ny Fanahy na fanomezam-
pahasoavana ireo dia zava-dehibe. Izany mantsy no mahatonga ny fiainam-piangonana ho
voarafitra tsara ao amin’ny Filazantsara. Ao amin’ny tenan’i Kristy, ny fanomezam-
pahasoavana rehetra dia samy ampiasaina eo amin’ny toerany manokana avy, kanefa dia
mifamatotra ao amin’ny fahasoavan’Andriamanitra ao sy amin’ny alalan’i Kristy (in and
through Christ) avokoa izy rehetra. Tsy misy mahaleo tena koa anefa izy rehetra, fa raha izany
dia mety ho voarahona ny fiombonam-piainan’ny Fiangonana. Ny fanomezam-pahasoavana
ambony indrindra anefa izay mipetraka ho filamatra hoan’ny hafa rehetra, dia araka lazain’i
Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 13 hoe: ἀγάπη (fitiavana). Miombona ao amin’izany ny
fanomezam-pahasoavana hafa rehetra, ary izany koa no hanorenana ny Fiangonana
(οἰκοδομέω, οἰκοδομή) 1 Cor. 14:4-5, 12, 26), ka ao amin’izany fitiavana irery ihany no
mampahazo antoka ny firaisan’ny Fiangonana amin’i Kristy sy amin’izy samy izy (κοινωνία)
(1 Kor. 14: 4-5, 12, 26).
Amin’ny fampianarany momba ny fanamarinana, Paoly dia mandray ny Fiangonan’i
Kristy ho ilay Fiangonana avy amin’ny Filazantsara. Izany no fahazoany manokana ny
Fiangonana, ary na dia ny Fiangonana eo an-toerana (local Church) aza no tena ao an-tsainy
amin’izany, dia hita ihany koa ny fisehoan’ny Fiangonana oniversaly (Église Universelle). Hita
ao anatin’izany ny fanavahan’i Paoly ny Fiangonana hita maso sy ny Fiangonana tsy hita maso
(the visible Church and the invisible Church). Hita iha ny koa ao amin’ireo termes
ampisain’I Paoly momba ny Fiangonana “locale” sy ny fiangonana “universelle” ireo fa
mihazona hatrany fitohizana sy ny firaisan’ny Fiangonana izy, miraka amin’ny Fiangonana
voalohany tany Jerosalema an’izany ihany, kanefa ao amin’I Paoly dia hita ho voatsindry kokoa
ny maha-Kristolojika ny Fiangonana sy ny organizasionany. Tahaka ny Fiangonana voalohany,
Paoly dia manondro ny Fiangonana ho ny “Fiangonan”Andriamanitra” (ἐκκλησία τοῦ Θεοῦ) (1
Cor. 1:2; 11:16; 12:28; Gal. 1:13, etc.), kanefa dia antsoiny ho olon’Andriamanitra ihany koa
izany (λαὸς Θεοῦ) (2 Cor. 6:16; Rom. 9:25-26), na koa “tempolin’Andriamanitra” (ναος Θεοῦ)
1 Cor. 3:16 -17; 2 Cor. 6:16), ary koa “Isiraelin’Andriamanitra” (Gal.6:16). Amin’ireo filazana
rehetra ireo, dia asehony fa olom-boafidin’Andriamanitra ny Fiangonana, tsindriany koa anefa
fa izy ireo dia olom-boavonjy izay nirahina ho iraka hitory ny Filazantsara, ka amin’ny andro
farany dia i Jesosy Kristy Tompo no hanangona ny mpino rehetra na Jiosy na Jentilisa ho any
Ziona (Rom. 11:13-32). Ireo terminolojia ekkleziastika izay ampiasain’i Paoly sy ny fomba
fijeriny momba ny asa misiona izay manomboka avy ao Jerosalema (Rom. 15:19) ary manana
tondrozotra mankany Ziona ho toerana izay hanangonana ny olom-boanvonjy amin’ny andro
Page 27 sur 35
farany ireo (Rom. 11:26-27) dia maneho ny fifandraisana ankaiky eo amin’ny foto-keviny
momba ny Fiangonana sy ny foto-keviny momba ny fanamarinana izay voarafitra ara-tantaram-
pamonjena.
Ao amin’i Paoly koa ny Fiangonana dia antsoina ho τὸ σῶμα τοῦ Χριστοῦ (tenan’I
Kristy) (cf. 1 Cor. 12:12-31; Rom. 12:4-8; Col. 1:18.24; 2:16-19; 3:15; Eph. 1:23; 4:4-16; 5:23).
Filazana vaovao izay mampiavaka an’i Paoly izany satria tsy mba hita tao amin’ny Fiangonana
voalohany. Izany anefa dia mivelatra avy amin’ny fahazoan’ny Apostoly ny foto-kevitra
momba ny tena. Azo heverina ho ireto hevitra telo manaraka ireto no niavian’izany fomba
fiteny izany: ny lovan-tsofina momba ny Fanasan’ny Tompo, ny typolojia Adama-Kristy, ary
ny foto-kevitra izay noraisin’i Paoly avy tamin’i Jesosy aran-tantara momba ny maha-
Zanak’Olona sy Mesia Azy Izay natolotr’Andriamanitra tamin’ny fahafatesana sy natsangany
hoantsika. Tsaroana ihany koa ho fanampin’izany, ny terma σῶμα tao amin’ny anthropolojiany,
ka eo amin’ny fiheverana an’izany dia asehony ny Fiangonana ho ny “personification”
(embodiment) –n’i Kristy eto amin’izao tontolo izao. Miseho amin’ny endrika “pneumatique”
(ara-panahy) ny Fiangonana amin’ny maha-Fiangonan’i Kristy azy. Ao amin’ny batisa no
ampidirana ny olona rehetra ho ao anatiny, ary eo amin’ny Fanasan’ny Tompo no hamafisina
ny maha-mambra ny tsirairay ao amin’izany “tenan’i Kristy” izany (1 Kor.10:14-17). Ny
Fiangonana dia mivelona ao amin’i Kristy eto amin’izao tontolo izao, dia Kristy Izay maty ho
azy sy nitsangana ho azy. Feno ny Fanahy izy, ary ny fanarahany dia miseho amin’ny endrika
roa: ao amin’ny fiainana anatiny, dia olona afaka izay miombom-piainana am-pitiavana izy, ary
amin’ny maha-mpitondra ny Fanahy azy dia mijery hatrany izay mahasoa ny tena amin’ny
alalan’ireo fanomezam-pahasoavana samihafa ao anatiny (1 Cor12:12-31; Rom. 8:3-8; Col.
3:5-11). Eo amin’ny fiainana ivelany kosa dia manaraka ny ohatry ny Kristy sy ny didiny izy,
sady koa mivavaka hoan’izay manenjika azy, ka mivelona am-piadanana amin’ny zavatra
rehetra miaraka amin’i Kristy (Rom. 12:14, 18; cf. with Luke 6:27-36 par.).
Ankoatr’izany, raha jerena koa any amin’ireo taratasy izay tsy iadian-kevitra fa nosoratan’i
Paoly, dia tsy mbola ahitana loatra rafi-pandaminana momba ny fitondrana “hierarchique” teo
amin’y ny tenan’i Kristy. Izay resahany ao Epistily sasany dia ny fisian’ny olona izay mitarika
ny Fandraisana ihany sy ny Diakona izay mikarakara ny latabatra (1 Tes. 5:12; 1 Kor.12:28).
Lazainy ihany koa ireo karazam-panompoana samihafa ao amin’ny 1 Kor. 12:28 snm,
manomboka amin’ny Apostoly, mpaminany, mpampianatra, izay faranany amin’ireo
fanomezam-pahasoavana samihafa.
Ao amin’ireo soratr’i Paoly koa dia matetika hita ilay “formule” hoe: “ao amin’I Kristy”
(ἐν Χριστῷ) (in Christ) (for :see ἐν Χριστῷ 1 Thess. 2:14; 5:18; Gal. 1: 22; 2:17; 3:26; 5:6; 1
Cor. 1:4; 15:22; 2 Cor. 3:14; 5:21; Rom. 6:11, 23; 12:5, etc.; for ἐν κυρίῳ: see 1 Thess. 5:12;
Page 28 sur 35
Gal. 5:10; 1 Cor. 7:22, 39; 11:11; 15:58; 2 Cor. 2:12; Rom. 14:14; 16:11, etc.). Satria Kristy no
Mpanalalana amin’ny famonjena sy Tompon’ny Fiangonana izay tenany, ilay formule ἐν
Χριστῷ dia manana hevitra anakiroa, dia Kristolojika sy Eklesiolojika. Ilay preposition grika
ἐν mantsy dia milaza fa ao amin’ny herin’i Kristy ire