33
FIHAONANA AN-TAMPONY 2015 SY FANOMEZANA LOKA MOMBA NY FAMPIAHARANA NY FIFANARAHAN’NY VONDRONA SADC MOMBA NY MIRALENTA SY FAMPANDROSOANA MIRALENTA, FIOVAOVAN’NY TOETRANDRO SY NY LAMINASA AORIAN’NY TAONA 2015 FANGATAHANA FENOINA HO FANDRAISANA ANJARA AMIN’NY FIFANINANA Amin’izao fotoana izao, mbola tsy misy andininy mikasika ny Miralenta sy fiovaovan’ny toetrandro ny fifanarahan’ny SADC momba ny Miralenta sy Fampandrosoana. Ny tambazotra Alliance dia manao hetsika hangatahana ny hampidirana izany ao amin’ny laminasa aorian’ny 2015. TSY MAINTSY FENOINA DAHOLO* Lohatenin’ny tetikasa SAROBIDY NY HONKO NA MANGROVES KA AROVY Mpanolotra Fanampian’anarana Anarana Marie Laurette SAFY Iza no soloinao tena Fikambanana Andraikitra OSCE MANDRESY DIANA Miahy ny tontolo iainana VAVY/LAHY (safidio) Lahy Vavy X Firenana Madagascar Adiresy Mailaka [email protected] Finfay +261324166512 Teny fanolorana* Manomeza teny fanolorana nataon’ny fikambanana, ohatra avy amin’ny filohan’ny fikambanana/tambazotra izay mamintina ny zava-bitanan’ny fikambanana.Omeo ny anarany sy andraikiny. Nahatsapa ny fitotonganam-bokatra hazan-dranomasina, mahatsiravina ny mponina Andavoanemboka commune rural Antsohimbondrona sy ny manodidina ka heverina fa ny fananganana

genderlinks.org.zagenderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/articles/... · Web viewNoho izany, fahadisoan-kevitra lehibe ny fihanteherana amin’ny fanampiana azo avy amin’ny

Embed Size (px)

Citation preview

Page 1: genderlinks.org.zagenderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/articles/... · Web viewNoho izany, fahadisoan-kevitra lehibe ny fihanteherana amin’ny fanampiana azo avy amin’ny

FIHAONANA AN-TAMPONY 2015 SY FANOMEZANALOKA MOMBA NY FAMPIAHARANA NY FIFANARAHAN’NY

VONDRONA SADC MOMBA NY MIRALENTA SY FAMPANDROSOANA

MIRALENTA, FIOVAOVAN’NY TOETRANDRO SY NY LAMINASA AORIAN’NY

TAONA 2015

FANGATAHANA FENOINA HO FANDRAISANA ANJARA AMIN’NY

FIFANINANA

Amin’izao fotoana izao, mbola tsy misy andininy mikasika ny Miralenta sy fiovaovan’ny toetrandro ny fifanarahan’ny SADC momba ny Miralenta sy Fampandrosoana. Ny tambazotra Alliance dia manao hetsika hangatahana ny hampidirana izany ao amin’ny laminasa aorian’ny 2015.

TSY MAINTSY FENOINA DAHOLO*

Lohatenin’ny tetikasa SAROBIDY NY HONKO NA MANGROVES KA AROVY

Mpanolotra Fanampian’anarana AnaranaMarie Laurette SAFY

Iza no soloinao tena Fikambanana Andraikitra

OSCE MANDRESY DIANA Miahy ny tontolo iainanaVAVY/LAHY (safidio) Lahy Vavy

XFirenana MadagascarAdiresy Mailaka [email protected] +261324166512

Teny fanolorana*

Manomeza teny fanolorana nataon’ny fikambanana, ohatra avy amin’ny filohan’ny fikambanana/tambazotra izay mamintina ny zava-bitanan’ny fikambanana.Omeo ny anarany sy andraikiny.

Nahatsapa ny fitotonganam-bokatra hazan-dranomasina, mahatsiravina ny mponina Andavoanemboka commune rural Antsohimbondrona sy ny manodidina ka heverina fa ny fananganana ny “Communauté Locale de Base” (CLB) no vahaolana mahomby amin’izany fahavoazana izany, izay tarihin’ny filohany Andriamatoa RAMADAN Edmond. Izany hetsika izany dia nanamora ny fiaraha-miasa amin’ny fiaraha-miombon’antoka sy ny fikambanana ROSEDA (Rassemblement des Operateurs pour le Soutien de l’Environnement et le Developpement d’Ambilobe) solontenan’ny WWF amin’ny fambolena honko (mangrove).

Jereo*Sary 1 sy 2

Page 2: genderlinks.org.zagenderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/articles/... · Web viewNoho izany, fahadisoan-kevitra lehibe ny fihanteherana amin’ny fanampiana azo avy amin’ny

Famintinana*

Lazao fohifohy ny mombamomba ilay tetikasa nataonao. Inona no mahazava-dehibe izany tetikasa izany? –Teny miisa150

Nohon’ny hetrakatrakin’ny olombelona ( fanaovana saribao, fakana hazon-trano, kitay, sns...) dia ripaka tanteraka ny ala honko amin’io faritra io ka ny famerenana izany amin’ny hendriny taloha no tokony imasoana haingana.

Zava-dehibe ny fambolena sy fiarovana ny ala honko (mangrove) noho izy:

Miaro ny sisin-tany tsy ho lasan-drano, Manana etona tsara lavitra (in’enina avo eny) nohon’ny havoakan’ny hazo voly

an-tanety izay tsy hita eran’izao tontonlo izao, Toeram-piveloman’ireo hazan-drano maro isankarazany toy ny drakatra,

makamba, trondro, sns…. Satria raha ripaka ny ala honko (mangrove) dia ho lany tamingana tanteraka ireo harena voajanahary ireo. Marefo ny foto-tsakafon’ny mpanjono sy ny fitadiava-mbolany hamelomany ny ankohonany.

Tanjona fototra*

Inona ny tanjona fototra napetraka tamin’io tetikasa io? Teny miisa250

Asa makadiry ny fambolena sy fiarovana ny ala honko na mangrove ka mitaky ny fahavonan’ny rehetra : miompana amin’ny fanatanterahana ny tetik’asa mba hisian’ny fampandraisana anjaran’ny tsirairay. Fandraisan’ny daholobe andraikitra ihany no antoka mampahomby ny fampandrosoana azo antoka sy maharitra : rehefa samy manaiky hanaja ny lalàna mifehy ny fiarovana ny honko (mangrove) toy ny tsy fanapahana sy ny famonoana azy amin’ny alalan’ny omby izay tapaky ny CLB ny tsirairay dia mampiditra ny olona ho isan’ny tompon’andraikitra amin’ny fantanterahana ny tetikasa. Ka ho mora aminy ny mamorona asa vaovao ho anto-mpivelomany mba hiala amin’ny asa anaty honko (ohatra : saribao, hazon-trano, …) ankoatran’ny fanjonohana, eo am-piandrasana ny fanampiana hafa avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka raha ohatra ka misy izany. Noho izany, fahadisoan-kevitra lehibe ny fihanteherana amin’ny fanampiana azo avy amin’ny alalan’ny asan-tana-maro (filàna tambiny amin’ny fampandrosoana), nefa tokony ho raisiny ho fanampiana tsotra amin’ny fanatanterahana azy izany. Mba tokony ho fantany fa tombotsoa iraisana ny fanaovana ilay tetikasa izany, ka mila asiana fihezana amin’ny alalan’ny fiovan-toetran’ny mpiara-belona. Izany no nahatonga ny fanentanana miralenta ho fitaovana nentina hanatanterahana ilay tetikasa.

Page 3: genderlinks.org.zagenderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/articles/... · Web viewNoho izany, fahadisoan-kevitra lehibe ny fihanteherana amin’ny fanampiana azo avy amin’ny

Ireo olona nokendrena hahazo tombotsoa(isany)*

Mpahazo tombotsoa mivantana

Mpahazo tombotsoa tsy mivantana

Anaran’ny tarika Vavy Lahy totalinyMpanojo - 30 30 - - -Mpivarotra 11 3 14 - - -Mpanjifa - - - VahoakaTotaliny 11 33 44

Page 4: genderlinks.org.zagenderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/articles/... · Web viewNoho izany, fahadisoan-kevitra lehibe ny fihanteherana amin’ny fanampiana azo avy amin’ny

Sorotrasa fototra na hetsika*

Inona avy ny dingana/hetsika narahina hanatanterahana izany tetikasa?-teny miisa300.

Ny fiaraha-miasa ny OSCE Mandresy DIANA (Organisme de Société Civil pour l’Environnement Mandresy DIANA) sy fikambanana rahavavy ROSEDA no nahafahana nanatanteraka ny tetikasa. Toerana efa hananan’ny WWF foto-drafitrasa no misy ilay tetikasa ho atao, nohon’ny famehana sy ny fahasarotan’asa no nahatonga ny fanapahan-kevitra :

Asa tana-maro misy tambiny ny an’ny WWF ka tsy maintsy ilàna fandaminana avy aminy, fa ny ataonay dia ny fampandraisana anjara ny fikambanam-behivavy amin’ny fampandrosoana. Ny lamin’asa avy amin’ny WWF no nahafahana nanantona ny ROSEDA noho izy mpisolo tena azy, fa misy fotoana ihany ny fambolena honko fa tsy mandavan-taona.

Fikarakarana ny fahazohan-dàlana tamin’i chef de district Ambilobe. Fitondrana izany fazahoan-dàlana izany tamin’Andriamatoa Ben’ny tanàna ,

sady fanazavana taminy mikasika ny fanatanterahana ilay tetikasa. Fivoriana matetika no atao, dia tsy maintsy ilàna lamin’asa avy amin’ny

Filoham-pokotany mba tsy isian’ny ahiahin-dratsin’ny sasany. Nisy fandaminana koa natao miaraka tamin’ny CLB eny an-toerana toy ny

fampidirana ny vehivavy ho mpandraharaha ao anatin’ny CLB, fangatahana fiaraha-miasa eo amin’ny fanampiana madinidinika, famaritana ny toerana hanatanterahana ilay tetikasa.

Eo anelan’izany rehetra izany rehetra izany dia asiana fanentanana ny miralenta tapaka mba hialana amin’ity faniliana ny vehivavy ity eo andininy ary famporisiana ity farany mba ho sahy handray andraikitra mavitrika amin’ny fiaraha-monina.

Tafiditra anatin’izany fampiofanana izany ihany koa ny fanajana ireo fepetra misy mikasika ny fotoam-panjonoana: rehefa tonga ny fotoana tsy azo hanaratovana ny makamba dia tokony mijanona ny rehetra.

Mavesa-danja ny fisian’ny fanentanana mitohy amin’ny fanatanterahana ny tetikasa toy itony noho izy mitaky fiovan-toetran’ny tsirairay.

Mbola tadiavina anatin’ny ala honko sisa tsy maty ny ambioko, zay ilàna fahaizana manokana na amin’ny hatsarany na any karazany.

Page 5: genderlinks.org.zagenderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/articles/... · Web viewNoho izany, fahadisoan-kevitra lehibe ny fihanteherana amin’ny fanampiana azo avy amin’ny
Page 6: genderlinks.org.zagenderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/articles/... · Web viewNoho izany, fahadisoan-kevitra lehibe ny fihanteherana amin’ny fanampiana azo avy amin’ny

Taratasy 2

Page 7: genderlinks.org.zagenderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/articles/... · Web viewNoho izany, fahadisoan-kevitra lehibe ny fihanteherana amin’ny fanampiana azo avy amin’ny

Taratasy 3

Page 8: genderlinks.org.zagenderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/articles/... · Web viewNoho izany, fahadisoan-kevitra lehibe ny fihanteherana amin’ny fanampiana azo avy amin’ny

FIOFANANA eo Anelanelany hetsika 1

*Sary5

*Sary 4

Page 9: genderlinks.org.zagenderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/articles/... · Web viewNoho izany, fahadisoan-kevitra lehibe ny fihanteherana amin’ny fanampiana azo avy amin’ny

Fitadiavana masomboly

Page 10: genderlinks.org.zagenderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/articles/... · Web viewNoho izany, fahadisoan-kevitra lehibe ny fihanteherana amin’ny fanampiana azo avy amin’ny

Fambolena Honko

Page 11: genderlinks.org.zagenderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/articles/... · Web viewNoho izany, fahadisoan-kevitra lehibe ny fihanteherana amin’ny fanampiana azo avy amin’ny

Firaha-miombon’antoka sy fananganana tambazotra ary fiaraha-miasa*

Ny hetsika natao hampihenana ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy ve nahafahana nampiroborobo ny fiarahamiombon’antoka,fiaraha-miasa sy tambazotra amina fikambanana hafa, eo an-toerana, eo amin’ny firenena, na faritra na iraisam-pirenena?-teny miisa200.

Nampiroborobo sy nahamora ny fifaneraseran’olombelona tokoa ny fampihenana ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy eo amin’ny lafim-piainana rehetra na aiza na aiza ny sehatra misy. Maha reny azy efa manana traikefa mafonja sy mihavaka amin’ny lahy ny vehivavy: voavahany daholo ny disadisa rehetra ao antokan-trano, izany fahaizany izany dia hahafahany mandamina ny sehatra rehatra misy azy, reny izy ka tokony ho to-teny lalandava.

Maro manam-pahaizana koa ny vehivavy ka hafaka mandray anjara amin’ny ady hevitra lalina maro an’isa ka matetika maharesy lahatra ny manodidina azy foana. Ny fitokisana apetraka amin’ny vehivavy no hahitam-bokatra kokoa.

Hita ankehitriny fa ilaina tokoa ny vehivavy, ny atahorana fotsiny sao lasa fitaovana indray . Tsy mitsahatra mitady fiaraha-miasa amin’ny fikambananam-behivavy ny mpitondra rehetra, manomboka aty ifotony ka hatrany amin’ny faritra. Tsy misalasala tonga mitady ny fikambanam-behivavy eo an-toerana ny mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny manome fiofanana ny vehivavy havanana amin’izany, mba hanohy sy hanara-maso ny fizotran’ny fanatanterahany ny asa tiany hajoro eo an-toerana toy ny fiarovana ny reny sy ny zaza tsy ampy taona, fikambanana miaro ny olona kilemaina, ny ao amin’ny fahasalamana (famporisihana ny olona hanao test VIH/SIDA, sns.)

Fitsinjarana ny sora-bola*

Lazao ny fomba nataonao vola nentina nanatanterahana ny hetsika momba ny Miralenta.

Sora-bola(Ariary)

Sora-bola(Ariary)

Fanazavana

Sora-bola manokana hoan’ny Miralenta

25000 75 000Ezaka ny mpikambana cotisation sy vokatr’asa

Miralenta ao anaty tetikasa efa misy(faritomazava)

60 000Fanampiana avy amin’ny tanora

Fandraisana anjara avy amin’ireo mpiaraha-miombon’antoka na vola na zavatra, (farito mazava)

21 000

Fanampiana avy amin’ny fikambanana CLB an-toerana ankoatran’ny fandraisandreo anjara ara-batana

Totaliny 25000 156000

Page 12: genderlinks.org.zagenderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/articles/... · Web viewNoho izany, fahadisoan-kevitra lehibe ny fihanteherana amin’ny fanampiana azo avy amin’ny

Vokatra

Fiaraha-miasa amin’ny fitondrampanjakana*

Inona ny vokatra tanteraka nohon’ny fiarahanao miasa taminy fitondrampanjakana ho fampiharana ny tanjona 28 ny fifanarahan’ny SADC? Mpandray anjara solontenam-panjakana ve ianao eo amin’ny sehatra faritra na iraisam-pirenena? Omeo ohatra iray farafahakeliny maneho ny akon’ny asanao teo anivon’ny rafitra ireny.Teny miisa200.

Manana vokatra vitsivitsy aho raha ny fiaraha-miasa tamin’ny fitondram-pajakana ao anatin’ny distrikan’Ambilobe indrindra ny ao amin’ny Service misahana ny mponina. Miara-miasa izahay raha toa ka misy ny adin’ny mpivady, miara-mitady ny marimaritra iraisana mba hisian’ny fitonian’ny andaniny sy ny ankilany, eo amin’ny 10% ny olana voavahanay amin’izany.

Tatoato dia saika manatona aty an-tranoko indray ny mpiady, nohon’ny antony tsy fantako. Tsaroandreo mpitondra ny tenaka tamin’ny fitadiavana fanampiana vehivavy iray niteraka kambana telo (3). Niraisiko andraikitra ny fanaovana ny fitia tsy mba hetra teo an-tokotanin’ny kaominina sy ny fampandrenesana ireo olom-boafidy mivory any Tana. Nefa mampalahelo fa narary ilay ramatoa ka maty, rehefa hafaka tapa-bolana niterahany (volana Aogositra 2013).

Misy lamin’asa koa taminay sy sefo Distrika satria nomeny làlana malalaka izaho hidina eny am-banivohitra hanao asa fanentanana mikasika ny Miralenta. Mbola ato anatin’ny Distrikan’Ambilobe ihany no tena mahita ny vokatr’asa nataoko fa tsy mbola niakatra iraisam-pirenena. Sady matetika tsy omeon-dreo ambony any lanja loatra ny asa vitanay aty amin’ny Distrika, hany ka ilaozan’ny toe-trandro lava izahay. Ny fiainoana radio ihany no mba hahafahanay manaraka ny zava-misy any an-tampony any.

Porofo*

Manomeza porofo iray farafaharatsiny,teny nataona mpitondra fanjakana, tao anatin’ny kabaro na tamin’ny tambazotra, izay mankasitraka nya sa nataon’ny fikambananao. Omeo ny anarana sy fanampin’anarana, ny fikambanana sy ny andraikiny.(teny miisa 200)

*Jereo taratasy 4,5,6

Page 13: genderlinks.org.zagenderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/articles/... · Web viewNoho izany, fahadisoan-kevitra lehibe ny fihanteherana amin’ny fanampiana azo avy amin’ny

Taratasy 4

Taratasy 5

Page 14: genderlinks.org.zagenderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/articles/... · Web viewNoho izany, fahadisoan-kevitra lehibe ny fihanteherana amin’ny fanampiana azo avy amin’ny

Taratasy 6

Page 15: genderlinks.org.zagenderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/articles/... · Web viewNoho izany, fahadisoan-kevitra lehibe ny fihanteherana amin’ny fanampiana azo avy amin’ny

Fiaraha-miasa amin’ny vondron’ny olom-pirenena

Inona ny paikady nampiasainao hanetsehana ny fanohanan’ny vondron’olompirenena hiasa ho an’ny tanjona 28 ny fifanarahana? Inona ny vokatra azo? (Teny miisa 200)

Nifikitra tamin’ny vondron’olom-pirenena roa (2) ny tenako : Fiarovana ny olona kilemaina amin’ny herisetra (fanilikilihana azy ireo amin’ny fomba rehetra) sy ny fanentanana ny vehivavy mba hiroso bebe kokoa amin’ny fahasahiana mandray andraikitra amin’ny fampandrosoana ny firenena.

Tsy asiako resaka lava ny mikasika vondron’olom-pirenena voalohany satria ny voalazan’ny filoha Andriamatoa GRALL Vincent dia efa ampy sy mazava, taratasy vavolombelona N°

Ny faharoa mikasika ny fandraisana andraikitry ny vehivavy amin’ny fampandrosoana dia miankina mafy amin’ny fananganana fikambanam-behivavy ara-dalàna (misy statut, nahazo numéro de dépôt, fantatry ny mpitondra ny fisiany) arahin’ny fanentanana amin’ny alalan’ny fivoriam-be na fifanakalozan-kevitra (conférence-débat). Hiezahana ny hahitàna vahaolana miaraka amin’izay sakana miseho. Manararaotra ny fety homanin’ny kaominina izahay tsy maintsy hatrehin’ny mpitondra fanjakana avy aty Ambilobe mba hahafahana misisika amin’ny fandraisam-pitenenana, mba hamelabelarana ny fitoviana misy eo amin’ny lahy sy ny vavy ka tokony atao làlana fototra entina manabe ireo zanaka. Hita koa ny tsy fisian’ny vehivavy amin’ny seha-pitondrana amin’izao fotoana ilana ny fiaraha-miasa ny lahy sy vavy izao, dia tsy maintsy manao hezaka hafa koa ho fanatanterahana izany tanjona izany.

Vokatra azo avy amin’ny hetsika rehetra natao dia nahitana kandidà vehivavy roa (2) sahy nifaninana tamin’ireo lehilahy 17 tamin’ny fifidianana Depiote farany teo ary mpisolo toerana vavy 4. Raha izany no jerena dia efa manomboka misy ny fahasahiana eo amin’ny vehivavy ary fifampitokisana eo amin’ny lehilahy.

Porofo*

Manomeza porofo fijoroana vavolombelona manambara ny fiantraikan’ny asa izay nataonao farafaharatsiny iray avy amin’ireo mpitantana na mpitarika ireo fikamban’olompirenena, maneho ny asa vitan’ny fikambananao. Omeo ny anarany, fikambanana sy ny andraikiny.-Teny miisa 200

Page 16: genderlinks.org.zagenderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/articles/... · Web viewNoho izany, fahadisoan-kevitra lehibe ny fihanteherana amin’ny fanampiana azo avy amin’ny

Taratasy 7

Page 17: genderlinks.org.zagenderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/articles/... · Web viewNoho izany, fahadisoan-kevitra lehibe ny fihanteherana amin’ny fanampiana azo avy amin’ny

Firaha-miasa amin’ny vondron’olona ifotony

Inona ny vokatra azo nohon’ny fidiranao an-tsehatra miaraka amin’ny vondron’olona ifotony momba ny fifanarahan’ny SADC ? Manomeza ohatra iray farafahakeliny. Teny miisa 200.

Mbola manjavonjavona amin’ny vondron’olona ifotony ihany ity fifanarahana SADC ity amin’ankapobeny nefa raha dinihina lalina dia efa ao ihany ilay hevitra. Any ambanivohitra dia tsy maintsy mihainga amin’ny fanapahan’ny fivoriambe, izay nisolo ny « Vorilahy » teo aloha. Tsy tokony hisy ny elanelana amin’ny fikambanana maro fa tokony hivondrona mba hisian’ny fampandrosoana. Zava-misy tatoato dia samy te ho hita ny fikambanam-behivavy eny anivon’ny fokontany amin’ny alalan’ny fanamboaran-javatra (tsangam-bato, biraom-pokotany, sekoly, sns…). Ny fanazavana izany hetsika mitory firaisan-kinan’ny lahy sy ny vavy izany, no làlana azo hanamafisana ampidirana azy anatin’ilay fifanarahana SADC. Ny tsy fahampian-tsaina tia karokaroka mba hahafahana mamorona no mbola mibahana indraindray. Maro no maniry hahazo izany fiofanana izany any amin’ny fokontany any fa ny am-pelatànana tsy misy. Ny nataonay any amoron-dranomasina dia ny fampiasana ny fatana mitsitsy no nanaovanay fanentanana, raha mahavita manamboatra dia efa vola miditra amin’ny fikambanana OSCE amin’ny fampiasana ny “charbon vert” no tiana hampiarina.

Porofo*

Manomeza porofo manamarina izany fiovàna izany, toy ny fankatoavana nataon’olona iray teo amin’ny fiaraha-monina mankasitraka ny asa nataon’ny fikambananao. Omeo ny anarany, ny asany sy ny fikambanana misy azy. Teny miisa 200.

*Jereo taratasy 8

Page 18: genderlinks.org.zagenderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/articles/... · Web viewNoho izany, fahadisoan-kevitra lehibe ny fihanteherana amin’ny fanampiana azo avy amin’ny

Taratasy8

Page 19: genderlinks.org.zagenderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/articles/... · Web viewNoho izany, fahadisoan-kevitra lehibe ny fihanteherana amin’ny fanampiana azo avy amin’ny

Ako eo amin’ny haino aman-jery*

Ahoana ny fampiasainao ny haino aman-jery ho fampahafantarana ny fifaneken’ny SADC? Teny miisa 150.

Tsy misy olana mihitsy ny aminay fikambanam-behivavy Miralenta sy ny ao amin’ny haino aman-jery. Nisy fotoana 6 volana eo eo ny faharetany, nanomezany anay 15mn isan’andro ny “emission” atao hoe: Fotoana natokana hoan’ny vehivavy sy ny fampandrosoana, isa-maraina manomboka amin’ny 6ora.Fotoana hafahan’ny vehivavy rehetra miteny amin’ny radio.Hazo resahina amin’izany ny mikasika ny tokan-trano, ny fitezana ny ankizy, ny vaovaon’ny Fikambanam-behivavy, ny fanentanana ny Miralenta no tena mibahana amin’izany. Indraindray manao “interview question réponse” miaraka amin’ireo mpiasan’ny haino aman-jery ireo koa ny tenanay. Tena misy fiarahamiasa feno amin’ny radio ny vondron’olona miahy ny fitorian’ny lahy sy vavy amin’ny fampandrosoana ny ao Ambilobe.

Porofo

Manomeza santionany iray amin’ny tatitra nataona haino aman-jery momba ny asa nataonao. Url, pdf, You tube

Ialana tsiny fa nohon’ny “delestage” mafy loatra aty aminay, dia tsy misy zavatra azo natao amin’ny famohana nya santiona. Toy zao ny tamin’ny farany:

Alefa amin’ny diego tsara paritry tamin’ny latsinainy 23 Mars 2015, tany Nosy be helle ville ny antenne tamin’izay.

Avy namita ny adidiny tamin’ny fambolena Honko tany Antenina kaominina ambanivohitra Antsohimbondrona ny fikambanana Vondrona Miralenta ho an’ny Fampandrosoana na VMLF eto ambilobe, zay tarihin’ny Filohany SAFY Marie Laurette niaraka tamin’ireo Fokonolona tany antoerana ka 1900 fotony ny Honko vavy ary 800 ny Honko lahy.

Fanamafisana fahaiza-manao*

Manamafy ny fahaiza-manaon’ny fikambanana hafa monban’ny fifanarahan’ny SADC ve ny fikambananao. Manomeza fanofanana iray izay natao monba izany. Teny miisa 200.

Nanao fanamafisana fahaiza manaon’ny fikambanana hafa momban’ny fifanarahan’ny SADEC koa fikambanako.Nanokana tapak’andro iray izahay tany Antenina (Antsohimbodrona ) nanaovanay izany fiofanana izany. Nanatrika izany dia nahitana solontenan’ny mambra VOI (4), ny tanora lahy 2 ny zokiolona 1 miampy ireo fikambanam-behivavy 3 sy mpivaro trondro 6. Nifantoka tamin’ny fitaizana ny ankizy ao antokatrano ny ady hevitra anjara as any reny, ny ray amin’ny fanabeazana ny ankizy. Nitarika tamin’ny fahaiza manao ny lehilahy sy ny vehivavy hatramin’ny fiaraha monim-pirenena, iraisam-pirenena.Nanaovana atelier mihitsy mba hisian’ny mangarahara amin’ny fitadiavam-bokatsoa.Nafampana ny ady hevitra eo amin’ny fitovian’ny lahy sy vavy, nefa nahita marimaritra iraisana nentina nandresena lahatra ireo mbola miziriziry tamin’ny heviny.

Page 20: genderlinks.org.zagenderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/articles/... · Web viewNoho izany, fahadisoan-kevitra lehibe ny fihanteherana amin’ny fanampiana azo avy amin’ny

Porofo*

Manomeza porofo manamarina ny fanamafisana ny fahaiza-manao azony, fanambarana avy amin’olona izay nofaninao. Omeo ny anarany, ny fikambanana misy azy ary ny andraikiny. Teny miisa 200

Taratasy9

Page 21: genderlinks.org.zagenderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/articles/... · Web viewNoho izany, fahadisoan-kevitra lehibe ny fihanteherana amin’ny fanampiana azo avy amin’ny

Porofo fanamafisana fahaiza-manao

Page 22: genderlinks.org.zagenderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/articles/... · Web viewNoho izany, fahadisoan-kevitra lehibe ny fihanteherana amin’ny fanampiana azo avy amin’ny

Fianarana sy fizarana fahalalana sy traikefa amin’ny fikambanana sy

rafitra hafa*

Ahoana no nahafahanao nianatra sy nizara fahalalana tamin’ireo fikambanana na rafitra hafa misahana ny Miralenta sy fiovaovan’ny toetrandro? Farito mazava, omeo

*Sary6

*Sary 7

Page 23: genderlinks.org.zagenderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/articles/... · Web viewNoho izany, fahadisoan-kevitra lehibe ny fihanteherana amin’ny fanampiana azo avy amin’ny

ny anaran’ny fikambanana Na rafitra, ny toerana sy ny fomba nihaona sy ny nizarana fahalalana.-Teny miisa 200

Mpikambana mavitrika ao anatin’ny vondrona Miralenta hoan’ny fampandrasoana (VHL) izay sahan’ny EISA ny tenako atry ny ela, ka matetika mahazo fiofanana maromaro mikasika ny Miralenta.Voahofana ho mpanamora aza ny tenako ao anatin’izany rafitra izany.

Ny mikasika ny fiovaovan’ny toetr’andro kosa dia manana fiaraha-miasa matotra amin’ireo fikambanana sy rafitra misahana ny tontolo iainana (WWF-ROSEDA-OSCE)misy eto aminay sy faritra DIANA manontolo (PADES Ambanja). Matetika voantso miaraka amin’izy ireo aho rehefa misy fivoriam-paritra ataony. Ny fiarahana amin’izy ireo no hazoana fahalalana maro. Ny fahitako vokatsoa azo avy amin’ny fiarahana izany no mamporisiky aho nampiditra ny fimkambanana iray tarihiko ato amin’ny FKT ipetrahako SEVAN’I Laidama ho mambra ao amin’ny OSCE.

Efa miasa io fikambanana io hatramin’ny taona 2011.Nahavoly kininina maheriny roarivo (2000) sy hazo fihinamboa zato (100) eo amin’ny velaran-tany mirefy 3ha eo, toerana izay efa nanaovanay fangatahana aram-panjakana.

Porofo*

Manomeza porofo manamarina izany, ohatra fanambarana avy amin’ny mpitarika ireo fikambanana hafa na solontenam-panjakana.-Teny miisa 100

Jereo Taratasy 1 fankasitrany OSCE sy taratasy 10 fankasitrana ROSEDA

Page 24: genderlinks.org.zagenderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/articles/... · Web viewNoho izany, fahadisoan-kevitra lehibe ny fihanteherana amin’ny fanampiana azo avy amin’ny

Taratasy 1

Page 25: genderlinks.org.zagenderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/articles/... · Web viewNoho izany, fahadisoan-kevitra lehibe ny fihanteherana amin’ny fanampiana azo avy amin’ny

Rassemblement des Opérateurs pour le Soutien de l’Environnement et le Développement d’Ambilobe

(ROSEDA)

Tel :032 40 885 13/ email : [email protected]/[email protected]

FANKASITRAHANA

NY FIKAMBANANA ROSEDA DIA MISAOTRA SY MANKASITRAKA NY VONDRON’NY VEHIVAVY MIRALENTA (VMLF), TARIHIN’I RAMATOA SAFY MARIE LAURETTE ETO AMBILOBE, TAMIN’NY ASA FAMBOLENA HONKO HO FIKAJIANA NY TONTOLO IAINANA SY NY FANENTANANA NY MPONINA HO AMIN’NY FIAROVANA NY TONTOLO IAINANA TAMIN’NY VOLANA MARTSA 2015 TAO AMIN’NY FOKONTANY ANTENINA.

NATAO TETO AMBILOBE , FAHA 12 MAY 2015

NY FILOHA

ROGER Armand Be

Taratasy10

Page 26: genderlinks.org.zagenderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/articles/... · Web viewNoho izany, fahadisoan-kevitra lehibe ny fihanteherana amin’ny fanampiana azo avy amin’ny

Lesona notsoahina sy fanavaozana*-Teny miisa 500

1) Fiaraha-miasa tamin'ny fanjakana : ahoana ny nataonao raha sendra tsy mitovy ny fomba fijerin’ny fikambanana sy ny fitondram-panjakana mikasika ny fampiharana ny fifanekena SADC? Omeo ohatra iray farafahakeliny maneho ny fomba noforonina ka nahazohanao vokatra tsaratsara kokoa teo amin’izany tsy fitovan-kevitra izany.

2) Fiaraha-miasa amin’ireo fikambanana mpiara-miombon’antoka : Inona ny lesona notsohaina momba ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka?

3) Lesona hafa azo notsoahina?4) Ahoana ny ho vokatr’izany amin’ny fomba fifanatonana vaovao amin’ny ho avy?

Tranga tsy fahita matetika loatra taminay ny tsy fitoviam-fijerin’ny fikambanana sy ny fitondranam-panjakana izany, fa ny mitovitovy hevitra amin’izany ny fangatahan-javatra mitondra fampandrosoana nefa tsy nahazo noho ny tsy fisiana angamba. Toy ny nitranga tao amin’ny secteur misy anay.Tanim-panjakana iray nisy service Genie rural izay nipetra potsiny satria efa karazany maty io service io amin’izao fotoana, lany namidin’olona ny manodidina ary ny trano lasa nipetrahan’ireo mpiasan’ny service agriculture sy elevage, ny atelier mecanique sy garage lasa trano-kisoa mba nangatahinay ireo garage ireo mba atao tranon-tsekolim-panjakana satria 2km avy aminay no misy sekoly.Nataonay ny fikarakarana rehetra niafara tamin’ny fiakarana tany Antananarivo, mbola tsy nanome hiany ireo tao amin’ny Ministra, na dia efa nalaina sary ny trano sy ny kisoa mipetrak’ao anatiny. “Aleo io trano io mba hianaranan-jana gasy toy izay atao tranon-kisoan’olombitsy” hoy izahay “Manala kisoa no moramora kokoa toy izay manala sekoly misy zaza mianatra” hoy ny Direction Générale ny service.

Noraisinay ho lesona ity valin-teny farany ity ka nafanay namorona ity fomba iray hafa manaraka ity.

Nila hevitra tamin’ny sefom-pokotany izahay mikasika ny tanin’olona ankaiky eo, tany borne et titré, be velarana be 3ha any ho any, mipetra potsiny, tompony efa maty, ny zanany tsiary nipoitra efa misy am-polon-taona maro izay, lasa toerana fanaaovan’olona maloto io indray no heverinay alaina amin’izao(analana ampahany) .Rehefa tonga ny fanampiana ho azonay izay dia ahorina ny sekoly raha mbola tsy mipoitra foana ny zanany. Efa sarotra ny analana ny sekoly misy zaza mianatra. Tombotsoa iraisina sady fanasoavana ny vahoaka.

Mitaky fiovan-toetra maro ny fahafahana miaramiasa amin’ireo fikamabanana mpiaramiombonantoka iero. Raha tsy matotra ny fomba fiasa dia mampisy fisalasalana an’I hafa.Ny fiaraha miasa tomombana dia miankina mafy amin’ny fahamarinana (ara morale, ara-potoana) Ny fananana izay fahamarinana izay no antoky ny fahavononana amin’ny fanatanterahana ny foto-drafitrasa iray. Ireo toetra roa voatanisa ireo no mitondra amin’ny fifampitokisana halavorary ny fiarahamiasa.

Lesona hafa azo notsoahina

Page 27: genderlinks.org.zagenderlinks.org.za/wp-content/uploads/imported/articles/... · Web viewNoho izany, fahadisoan-kevitra lehibe ny fihanteherana amin’ny fanampiana azo avy amin’ny

Mampalahelo sy mahagaga amin’ny fiainana izao dia ny tsy fandraisan’ny antoko politika anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena , nefa samy mitangon’ny maminy rehefa misy vokany ny tetika-angamba efa tsy andron’ny fitsetsefana intsony izao.Tsy ampy izany ny fandraisan’ny antoko politika anjara amin’ny fampandrosoana na eo amin’ny faritra hirarina ny fisian’ny fifanatonana amin’ny endriny vaovao.