35
Tanjona : hanampy ny tanora hitombo ara-panahy, hitarika azy ho amin’ny famonjena sy fanompoana (SALUT et SERVICE) Hanampy ny tanora hiara-miasa amin’ny Sokajy misy azy mba hanatratra tanjona ambony : famonjem- panahy. Fanamarihana : ITY DIA FAMPIHARANA SY FIAINANA NY KILASIM-PANDROSOANA noho izany FEHEZO tsara ny : TARI-DALANA HETSIKA EOTIKA Kilasim-pandrosoana (Ami – Guide) Fitaovana ara-panahy rehetra (Ampiasain’ny Fiangonana Advantista mitandrina ny andro fahafito) IREO MARIKA AMPIASAINA : C.P. = Kilasim-pandrosoana (hetsika mahakasika kilasim-pandrosoana na hita any) P = hetsika atao eo anivon’ny Sokajy (Patrouille), mandritra ny fihaonanareo. E = Hetsika eo anivon’ny Fiangonana, mangataha alalana amin’ny Loholona sy ny Mpitandrina. F = Hetsika eo anivon’ny fiaraha-monina, mangataha alalana amin’ny Lehiben’ny fokontany S = Hetsika eny anivon’ny Sekoly H = Hetsika eny anivon’ny Hopitaly na fonja TANJONA SAKAIZAN’I JESOSY Fahatsapana fanandramana mamy amin’ny fifandraisana amin’i Jesosy TANJONA SAKAIZAN’I BAIBOLY Fahatsapana fanandramana mamy amin’ny fandinihana ny TENY (logos) TANJONA SAKAIZAN’I FANAHY HO VONJENA Fahatsapana fanandramana mamy amin’ny fikatsahana fanahy sy fikarakarana azy ireny. Atomboy hatrany amin’ny Fepetra 1 : Manangana alitara : Fiomanam-panahy lalina io. Manokana fotoana hanomanana sy haovana ireo hetsika tsirairay. Mandefasa tatitra mandrakariva tamin’izay natao ! (mivantana aty amin’ny foibe, Mpitandrina, Mpitarika isan-tsokajiny) Mahaiza mifandray akaiky amin’ny Mpitandrina sy ny Loholona mba hanomezany alalana hanao ny hetsika amin’ny fotoana mahamety azy. Aoka hatoky ny fahendren’ny Zoky ara-panahy isika. “Manaja ny Rainao sy ny Reninao mba ho maro andro ianao any amin’ny tany izay omen’I Jehovah anao.” Manaja ny Mpitondra fanjakana indrindra rehefa hamory olona ankalamanjana (na an-trano) Aoka ho fohy ny resaka fa betsaka ny vavaka sy ny fampiharana ary ny hetsika ! Aza be fihetsiketsehana : MANANA TANJONA TRATRARINA ianao ! (baolina maty no mikaonty fa tsy hakingana ara-teknika ! mandeha ny fotoana ! Maika hody isika !) Tsarovy : “TSY AMIN-KERY NA AM-PATANJAHANA FA @ FANAHIKO hoy JEHOVAH !”

Tanjona - zonemandrosoa.e-monsite.comzonemandrosoa.e-monsite.com/medias/files/hetsika... · “Izay Voky maharaka ny namany” “Vatsy sy Aina” Anjaran’ny DR na ny Loholona eo

  • Upload
    others

  • View
    5

  • Download
    0

Embed Size (px)

Citation preview

Page 1: Tanjona - zonemandrosoa.e-monsite.comzonemandrosoa.e-monsite.com/medias/files/hetsika... · “Izay Voky maharaka ny namany” “Vatsy sy Aina” Anjaran’ny DR na ny Loholona eo

TS

AR

A H

O FAN

TATR

AT

Tanjona : hanampy ny tanora hitombo ara-panahy,

hitarika azy ho amin’ny famonjena sy fanompoana

(SALUT et SERVICE)

Hanampy ny tanora hiara-miasa amin’ny Sokajy misy

azy mba hanatratra tanjona ambony : famonjem-

panahy.

Fanamarihana : ITY DIA FAMPIHARANA SY FIAINANA NY KILASIM-PANDROSOANA noho izany FEHEZO tsara ny :

TARI-DALANA HETSIKA EOTIKA

Kilasim-pandrosoana (Ami – Guide)

Fitaovana ara-panahy rehetra (Ampiasain’ny Fiangonana

Advantista mitandrina ny andro fahafito)

IREO MARIKA AMPIASAINA :

C.P. = Kilasim-pandrosoana (hetsika mahakasika kilasim-pandrosoana na hita any)

P = hetsika atao eo anivon’ny Sokajy (Patrouille), mandritra ny fihaonanareo.

E = Hetsika eo anivon’ny Fiangonana, mangataha alalana amin’ny Loholona sy ny Mpitandrina.

F = Hetsika eo anivon’ny fiaraha-monina, mangataha alalana amin’ny Lehiben’ny fokontany

S = Hetsika eny anivon’ny Sekoly

H = Hetsika eny anivon’ny Hopitaly na fonja

TANJONA SAKAIZAN’I JESOSY Fahatsapana fanandramana mamy amin’ny fifandraisana amin’i Jesosy

TANJONA SAKAIZAN’I BAIBOLY Fahatsapana fanandramana mamy amin’ny fandinihana ny TENY

(logos)

TANJONA SAKAIZAN’I FANAHY

HO VONJENA

Fahatsapana fanandramana mamy amin’ny fikatsahana fanahy sy

fikarakarana azy ireny.

Atomboy hatrany amin’ny Fepetra 1 : Manangana alitara : Fiomanam-panahy lalina io.

Manokana fotoana hanomanana sy haovana ireo hetsika tsirairay.

Mandefasa tatitra mandrakariva tamin’izay natao ! (mivantana aty amin’ny foibe, Mpitandrina,

Mpitarika isan-tsokajiny)

Mahaiza mifandray akaiky amin’ny Mpitandrina sy ny Loholona mba hanomezany alalana hanao ny

hetsika amin’ny fotoana mahamety azy. Aoka hatoky ny fahendren’ny Zoky ara-panahy isika.

“Manaja ny Rainao sy ny Reninao mba ho maro andro ianao any amin’ny tany izay omen’I Jehovah

anao.”

Manaja ny Mpitondra fanjakana indrindra rehefa hamory olona ankalamanjana (na an-trano)

Aoka ho fohy ny resaka fa betsaka ny vavaka sy ny fampiharana ary ny hetsika !

Aza be fihetsiketsehana : MANANA TANJONA TRATRARINA ianao ! (baolina maty no mikaonty fa tsy

hakingana ara-teknika ! mandeha ny fotoana ! Maika hody isika !)

Tsarovy : “TSY AMIN-KERY NA AM-PATANJAHANA FA @ FANAHIKO hoy JEHOVAH !”

Page 2: Tanjona - zonemandrosoa.e-monsite.comzonemandrosoa.e-monsite.com/medias/files/hetsika... · “Izay Voky maharaka ny namany” “Vatsy sy Aina” Anjaran’ny DR na ny Loholona eo

MANANGANA

ALITARA

Fepetra voalohany

TRIO DE PRIERE Manokana fotoana fohy hivavahana izahay (indray mandeha isan-kerin’andro)

Manokana fotoana handinihina ny

fitiavan’I Jesosy eo amin’ny Fiainanay

izahay indray mandritra ny folo andro.

Mampiasa Boky : ALITARA

P

P

Mizara ho tsi-telo telo ny Sokajy iray izay misy tanora 6 – 8. ireo tanora telo ireo indray no mijery fotoana raikitra (5mn – 15 mn) atokan’izy ireo mba hivavahana mandohalika miaraka. Ny hanomezan’I Jehovah ny herin’ny Fanahy Masina, ny fifonana ho azy ireo sy ny fiangonana, no tena hitolomana.

Mizara ho tsi-telo telo ny Sokajy iray izay misy tanora 6 – 8. ireo tanora telo ireo indray no mijery fotoana raikitra atokan’izy ireo mba hivavahana mandohalika miaraka. Ny hanomezan’I Jehovah ny herin’ny Fanahy Masina, ny fifonana ho azy ireo sy ny fiangonana, ary ny mba ahitana an’I Jesosy eo amin’ny fiainan’izy ireo isan’andro no tena hitolomana.

MANANGANA

ZARIDAINA

Fepetra Faharoa

SEHOSEHATRA : Tantaraan-tsehatra arahina hira, Takarivan’ny Sabata na afon-dasy “Ny Valim-bavaka” na ny “Herin’ny Vavaka” (mifidiana amin’ireo tantara ao amin’ny Baiboly)

Atao 1 isan-telovolana ity hetsika ity

E

SEHOSEHATRA : Arahina tsara ny fepetra fanaovana sehosehatra : 3mn – 7 mn ihany ny seho iray. Misy Mpanolotra (manao fampidirana fohy : 30s), misy Mpanentana manontany ny mpijery ny lesona tsoahina rehefa vita ny tantara). Ireo tantara ao amin’ny Soratra Masina dia tena mahaliana tokoa rehefa tsara fanomanana Eto dia mbola fifandraisana tsara amin’ny Loholona sy ny Komity mba ahazoana io fotoana io. Aoka hahay hifandamina.

Page 3: Tanjona - zonemandrosoa.e-monsite.comzonemandrosoa.e-monsite.com/medias/files/hetsika... · “Izay Voky maharaka ny namany” “Vatsy sy Aina” Anjaran’ny DR na ny Loholona eo

Mahavita 3 amin’ireo toerana 4 ireo

MANANGANA

RARIVATO

Fepetra Fahatelo

Mizara Teny Fikasana Mamorona : karatra kely, na sary, na maka fehezam-boninkazo izahay ary asianay teny fikasana Zaraina avy eo.

E S F H

Tokony hivoaka eto ireo asa Tanana nianarana tany amin’ny Kilasim-pandrosoana. Ny zava-dehibe dia ny saina tia karokaroka. Ary ny fotoana atokana hizarana ireo taozavatra mirakitra tenin’Andriamanitra ireo.

MANANGANA

FANEVA

Fepetra Fahefatra

FANADIHADIANA Manokana fotoana izahay ary manao fanadihadiana momba ny fahafantaran’ny olona an’I Jesosy

s F

Mandeha eny anivon’ny fokontany na Sekoly ny Sokajy manao fanamiana ka mametraka ireo fanontaniana hita ao anatin’ny KIT FANADIAHADIANA. Raha sekoly : araho tsara ny toro-marika omen’ny Talen-tsekoly. Manaova fangatahana mba hiditra ao anaty kilasy iray na manontany mpianatra mandritra ny fakan-drivotra. Raha fokontany : dia aoka ho azo antoka fa efa nahazo alalana

TANJONA : dia ny hahatsapan’ny tanorantsika fa mbola be amin’ireo tanora namany no mila ny fitiavan’I Jesosy!

Page 4: Tanjona - zonemandrosoa.e-monsite.comzonemandrosoa.e-monsite.com/medias/files/hetsika... · “Izay Voky maharaka ny namany” “Vatsy sy Aina” Anjaran’ny DR na ny Loholona eo

MANANGANA

ALITARA

Fepetra voalohany

CERTIFICAT: Tsianjery 13 (4/6 amin’ny Sokajy no manana farafahakeliny)

Manokana fotoana handinihina ny

Fiasan’ny Soratra Masina eo amin’ny

Fiainanay izahay mandritra ny folo

andro.

Mampiasa Boky : FIOMANAM-PANAHY

E

P

Mandray anjara amin’ny Lalao ara-

Baiboly :

“Izay Voky maharaka ny namany”

“Vatsy sy Aina”

Anjaran’ny DR na ny Loholona eo an-toerana no mamorona TARATASY FANAMARINANA fa manao Tsianjery 13 ireo tanorana ireo. Resaho am-panajana izy ireo mba hanolotra azy io.

Tsara indrindra raha ny Sokajy no manao ity hetsika ity. Azo atao programa iraisan’ny Tanora rehetra anefa izany na Fiangonana raha hitan’ny Loholona sy ny Mpitandrina fa mifandrindra amin’ny programan’izy ireo eo an-toerana. Tsara hatrany anefa mba hizarazara ho vondrona madinika mba hisy ny fifanakalozan-kevitra.

Aoka hanomana Fanadinana ara-baiboly am-bava ny Mpitarika. Aoka harindra amin’ny Loholona sy ny Pastora ary ny Komity ny fotoana hanaovana izany. Aoka ho fotoana mahafinaritra sy ho voaomana tsara ka hisy aim-panahy lalina fa tsy ho lalao fotsiny. Ny fanontaniana : Lesona SS, Fiambenana Maraina, toko nasaina novakiana, ...

MANANGANA

ZARIDAINA

Fepetra Faharoa

SEHOSEHATRA : Tantara an-tsehatra arahina hira, Takarivan’ny Sabata na afon-dasy “Finoana”, “Fahatokiana”, (mifidiana amin’ireo tantara ao amin’ny Baiboly)

Atao 1 isan-telovolana ity hetsika ity

E

SEHOSEHATRA : Lohahevitra ara-baiboly : Oh. Ny fahasalamana, …

E

SEHOSEHATRA : Arahina tsara ny fepetra fanaovana sehosehatra : 3mn – 7 mn ihany ny seho iray. Misy Mpanolotra (manao fampidirana fohy : 30s), misy Mpanentana manontany ny mpijery ny lesona tsoahina rehefa vita ny tantara). Ireo tantara ao amin’ny Soratra Masina dia tena mahaliana tokoa rehefa tsara fanomanana Eto dia mbola fifandraisana tsara amin’ny Loholona sy ny Komity mba ahazoana io fotoana io. Aoka hahay hifandamina.

F

Page 5: Tanjona - zonemandrosoa.e-monsite.comzonemandrosoa.e-monsite.com/medias/files/hetsika... · “Izay Voky maharaka ny namany” “Vatsy sy Aina” Anjaran’ny DR na ny Loholona eo

Mahavita 3 amin’ireo toerana 4 ireo

MANANGANA

RARIVATO

Fepetra Fahatelo

Mizara Hafatra manokana Mamorona : karatra kely, na sary, na maka fehezam-boninkazo izahay ary asianay hafatra manokana. (lohahevitra maha Advantista : FAmelan-keloka, Famonjena, Sabata, Fiavian’I Jesosy, … Zaraina avy eo.

S F

Mizara Hafatra Fanantenana Mamorona : karatra kely, na sary, na maka fehezam-boninkazo izahay ary asianay hafatra fanantenana. Zaraina avy eo.

H

Manana Baiboly 1, Lesona SS, Kopian’ny foto-pinoana 28 ny 100% n’ny Sokajy

P E

Tokony hivoaka eto ireo asa Tanana nianarana tany amin’ny Kilasim-pandrosoana. Ny zava-dehibe dia ny saina tia karokaroka. Ary ny fotoana atokana hizarana ireo taozavatra mirakitra tenin’Andriamanitra ireo.

Tena vain-dohan’asa takiana mihitsy ny fanana Baiboly iray isan’olona.

MANANGANA

FANEVA

Fepetra Fahefatra

HETSIKA FANENTANANA Fisarihana ny olona ho tia Baiboly

s F

Mizara Baiboly 1 na Boky misionera 1 ny Sokajy misy anay

H

Manangana GSB (GLB) ka mandinika toko 1 isaky ny fivoriana

HETSIKA : SEHOSEHATRA : Azo atao tahaka ny fanaovana sehosehatra : 3mn – 7 mn ihany ny seho iray. Misy Mpanolotra (manao fampidirana fohy : 30s), misy Mpanentana manontany ny mpijery ny lesona tsoahina rehefa vita ny tantara). Ireo tantara ao amin’ny Soratra Masina dia tena mahaliana tokoa rehefa tsara fanomanana Aoka hisy antso maharesy lahatra amin’ny farany ataon’ny PL fantarina mihitsy ireo nanapa-kevitra.

S

HETSIKA : SEHOSEHATRA : Mangataka alalana amin’ny Tale dia atao any an-tsekoly mihitsy ilay fivoriana famakiana Baiboly. Azo asiana fianaran-kira izay mety ahaliana ny mpihaino. Tsy mifantoka be loatra amin’ny foto-pinoana fa fanazarana azy ireo hihaino sy handinika Soratra Masina.

Page 6: Tanjona - zonemandrosoa.e-monsite.comzonemandrosoa.e-monsite.com/medias/files/hetsika... · “Izay Voky maharaka ny namany” “Vatsy sy Aina” Anjaran’ny DR na ny Loholona eo

MANANGANA

ZARIDAINA

Fepetra Faharoa

E

SEHOSEHATRA : Manomana Hetsika isaky ny Sabatan’ny Mpamangy. Manasa olona hanatrika io hetsika nomanina io. Fotoana : SAbata hariva, angatahina amin’ny Loholona.

F

MANANGANA

ALITARA

Fepetra voalohany

CERTIFICAT: Fianarana ho Mpitory Laika (PL) atolotry ny Loholona sy Pastora

Manokana fotoana hanaovana

fifohazam-panahy izahay mandritra ny

folo andro izay miafara amin’ny

fifadian-kanina.

Mampiasa Boky : FIFOHAZAM-PANAHY

E

P

Mandray anjara amin’ny fampianarana

Lovan’ny Fiangonana amin’ny KMO n’

ny Tanora:

“Ny fivoaran’ny hafatry ny

Filazantsara” no lohahevitra

E

E

FIOFANANA : Iangavio ny Loholona sy ny Mpitandrina mba hanao io fiofanana io ary hanome taratasy fanamarinana rehefa vita izany.

FIOFANANA : Jereo any amin’ny KIT omen’ny Departemanta tanora na ireo tari-dalana Fifohazam-panahy sahaza ny taonan’ny tanora.

Mijery sy manangona tanora (na olona efa lehibe) izay vao vita batisa (KMO) ka mampianatra azy ireo ny lovan’ny fiangonana.

MANANGANA

ZARIDAINA

Fepetra Faharoa

HETSIKA FIOMANANA : Maneho hetsika fitoriana iray omanina hatao any ivelany mandritra ny Sabata hariva na Afon-dasy momba ny Lohahevitra iray

Atao 1 isan-telovolana ity hetsika ity

SEHOSEHATRA : Manomana takarivan-talenta ho fanehoana an’I Jesosy eo amin’ny toerana izay kasain’ny Fiangonana hanaovana fitoriana na koferansa

E F

Ity fotoana ity dia sady ho fanehoana ny talenta araka izay niofanana tany amin’ny C.P. no fiomanana ho amin’ny fanafihana (ASAFI).

Fotoana natao ahatamana ny tanora ao am-piangonana izany no fotoana ahafahan’izy ireo mizara ny fitiavan’I Jesosy amin’ny fomba tanora amin’ny vahiny nasaina. Ho lasa fiangonana mahatamana ny fiangonantsika raha to aka tsara fanomanana ity hetsika ity.

Page 7: Tanjona - zonemandrosoa.e-monsite.comzonemandrosoa.e-monsite.com/medias/files/hetsika... · “Izay Voky maharaka ny namany” “Vatsy sy Aina” Anjaran’ny DR na ny Loholona eo

SEHOSEHATRA : Manomana Hetsika isaky ny Sabatan’ny Mpamangy. Manasa olona hanatrika io hetsika nomanina io. Fotoana : SAbata hariva, angatahina amin’ny Loholona.

F

Fotoana natao ahatamana ny tanora ao am-piangonana izany no fotoana ahafahan’izy ireo mizara ny fitiavan’I Jesosy amin’ny fomba tanora amin’ny vahiny nasaina. Ho lasa fiangonana mahatamana ny fiangonantsika raha to aka tsara fanomanana ity hetsika ity.

Manatrika Camp meeting na fifohazam-panahy karakarain’ny fiangonana ny Sokajy misy anay

MANANGANA

RARIVATO

Fepetra Fahatelo

Manangana EPL ka manomana Fanahy ho entina eo amin’ny Kaoferansa.

P E

Mandray anjara mavitrika amin’ ireo hetsika fitoriana karakarain’ny fiangonana na Distrika ny Sokajy misy anay

E

E

Manomana hetsika momba ny fijoroana ho vavolombelona “fiainana Kristiana” ; “Kristiana Salama”; ny sokajy misy anay. Manao Programa : Fanorenana fisakaizana (porte à porte) Fanomezana ho an’ny mahantra (petite action faisable na PAF) S F

E

E

Eto dia ny Sokajy mihitsy no miasa mitady Fanahy ho vonjena. Mampihatra izay nofaniny tany amin’ny FANOFANANA PL.

Ny DR dia tsy maintsy manao programa camp meeting ho an’ny tanora eo amin’ny Faritra misy azy. Amporisihina ny Pastora sy ny Loholona hanao tahaka izany ho azy ireo. 1 andro – 3 andro. Mitovy amin’ny Rallye ny fanomanana saingy miavaka amin’ny fotoana feno fifohazam-panahy lalina sy fifadian-lkanina raha azo atao ! (tsy asiana : parade, fanolorana grade, na fanaovana voady) : fotoana fanokanan-tena !

Eto no anehoan’ny tanora fa izy no tanan’ny fiangonana ka vonona amin’izay anirahana (fiangonana sy Komity) azy ary manaiky an-tsitra-po ny fandaminana sy izay andraikitra omena azy na dia tsy azony aza ny dikany!

Eto dia ny Sokajy mihitsy no miasa mitady Fanahy ho vonjena. Mampihatra izay nofaniny tany amin’ny FANOFANANA PL. aza adino ny fangatahana alalana. Jereo ny CP momba ireo lohahevitra ireo. Tokony ahavita 3 amin’ireo 3 takiana ireo izy

Page 8: Tanjona - zonemandrosoa.e-monsite.comzonemandrosoa.e-monsite.com/medias/files/hetsika... · “Izay Voky maharaka ny namany” “Vatsy sy Aina” Anjaran’ny DR na ny Loholona eo

MANANGANA

FANEVA

Fepetra Fahefatra

Mitarika Kaonferansa iray ny EPL misy anay

s

Atao avokoa ireto hetsika ireto :

F

Manatanteraka VAKY LAY iray izahay (Sokajy maromaro = Troupe) teo amin’ny tany natolotry ny Komity hanaovanay asa izahay sady efa nomaninay 3 volana mialoha ary

F

Manao fihetsika iray ho fanampiana ny fiaraha-monina ao amin’ny toerana iray izahay mba : -hanana rano fisotro madio -toerana fivoahana -fanasan-damba mahasalama -hiala amin’ny zava-mahadomelina -… F

Manana tanora iray izahay izay resinay lahatra : -hiala amin’ny zava-mahadomelina

F s

Eto dia ny Sokajy mihitsy no miasa mitady Fanahy ho vonjena. Mampihatra izay nofaniny tany amin’ny FANOFANANA PL. aza adino ny fangatahana alalana. Mampihatra izay niofanana tany amin’ny Kilasim-pandrosoana ny Sokajy. Mangataka amin’ny Komity izy mba homena faritra ho vakiana lay (aoka ho Tanana lehibe izay tena vitsy na tsy misy Advantista na fiangonana). Aoka hisy Filoha hanaraka azy ireo any : tsy hibaiko fa ho Mpanara-maso !

Manana fanahy iray (farafahakeliny) aroso amin’ny ranon’ny Batisa izahay (ny sokajy iray)

Ny Filoha dia ho Mpanampy (facilitateur) fa tsy mamolavola programa, aoka izy ireo no hanapa-kevitra. Ampio izy amin’ny soso-kevitra roa na telo azo isafidianana. Aza melohina raha sendra diso safidy na tsy nahomby, omeo soso-kevitra hafa azo isafidianana indray izy ireo !

Aoka tsy ho variana amin’ny fihetsiketsehana (parade) fotsiny : MANANA TANJONA ISIKA : BE NY VOKATRA ! arosoy ny fijinjana !

Page 9: Tanjona - zonemandrosoa.e-monsite.comzonemandrosoa.e-monsite.com/medias/files/hetsika... · “Izay Voky maharaka ny namany” “Vatsy sy Aina” Anjaran’ny DR na ny Loholona eo

“ASANDRATO KRISTY – ZARAO NY FAHASOAVANY”

Ho an’ny tanora

BOKY VOALOHANY

“Fa mifaneke heloka ianareo ary mifampivavaha mba ho sitrana ianareo, ny fivavaky ny marina dia

MAHERY INDRINDRA” …

Jak. 5 : 16

DEPARTEMANTA TANORA FMC 2012 - 2014

Nanomana : Pastora RANALA Fidy Maranatha

~ 2009 ~

Nohavaozina 2011

Page 10: Tanjona - zonemandrosoa.e-monsite.comzonemandrosoa.e-monsite.com/medias/files/hetsika... · “Izay Voky maharaka ny namany” “Vatsy sy Aina” Anjaran’ny DR na ny Loholona eo

Zavatra telo no harovanao mafy: Ny Finoana – Ny Fianakaviana –Ny Tanindrazana

Zavatra telo no halavirinao :

Ny hakamoana – Ny zava-poana – Ny henatra.

Zavatra telo no katsahinao : Ny Fahamarinana – Ny Rariny – Ny Famindram-po.

Zavatra telo no iadivanao :

Ny Lainga – Ny Halozana – Ny Hakanosana

Zavatra telo no hazoninao : Ny Fahitsiana – Ny Fahafahana – Ny Soatoavina

Zavatra telo no hatsanganao :

Ny Tanjona – Ny Fihavanana – Ny Alitara1

1 Ny Fivavahana

Page 11: Tanjona - zonemandrosoa.e-monsite.comzonemandrosoa.e-monsite.com/medias/files/hetsika... · “Izay Voky maharaka ny namany” “Vatsy sy Aina” Anjaran’ny DR na ny Loholona eo

TENY FANOLORANA

Karazan’olona 3 no voalaza fa ela velona indrindra eto an-tany nambaran’ny gazety boky malaza

indrindra any ivelany tamin’ny fiandohan’ity taon’arivo fahatelo ity. Iray amin’ireo karazan’olona ireo ilay

ramatoa Advantista izay anisan’ny be taona indrindra maneran-tany. Ny iraisan’ ireo karazana olona ireo dia

ity : mahatoky eo amin’ny karazan-tsakafo izay fihinany (regime), mahatoky amin’izay zavatra inoany (foi et

croyance), mahatoky amin’ny fianakaviany. Voalaza mihitsy fa ny iray amin’ireo karan’olona ireo dia manana

fahazarana miara-misakafo sy misotro ranom-boankazo miaraka amin’ny fianakaviam-be isan-kariva. Ilay hoe

fianakaviam-be eto dia ny renibe ka hatramin’ ny ankizy kely indrindra.

Miteraka fifaliana io firaisan’ny fianakaviana io. Ary ny fo falifaly mahasalama tsara fa ny fanahy kivy

mahamaina ny taolana. (Solomona)

Sabatra roa lela no eo am-pelatanan’i Satana : ny voalohany dia ny fampihenana ny fotoana sy ny

fifantohana mikasika na mandritra ny fotoana iresahana amin’Andriamanitra ; ary ny faharoa dia ny

fampihenana ny fotoana ifampiresahan’ny fianakaviana. Ireo dia vitainy amin’ny fampidirana ireo asa aman-

draharaha ho an’ny lehibe ary ny fialam-boly ho an’ny tanora sy ny ankizy (ao anatin’izany ny namana sy ny

haino aman-jery ary fanatanjahan-tena). Rehefa lasa lohalaharana sy fiainana tsy azo ialana intsony ireo

zavatra ireo dia indro fa lasa faharoa ny Alitara izay fotoana ihaonana amin’Andriamanitra sy ny

fianakaviana !

Natao ity boky ity mba ho tolo-bato hanampy antsika hanangana indray izany Alitaran-tokantrano izany.

Zavatra iray loha no lazainy : “Andramo ka izahao fa tsara Jehovah, sambatra izay olona mialoka aminy !”

Nanoratra sy Nandrindra :

Pastora RANALA Fidy Maranatha

Page 12: Tanjona - zonemandrosoa.e-monsite.comzonemandrosoa.e-monsite.com/medias/files/hetsika... · “Izay Voky maharaka ny namany” “Vatsy sy Aina” Anjaran’ny DR na ny Loholona eo

FIZ.1

SAMBATRA …

Fototra : Ny tokantrano izay miravaka fitiavana, firaisam-po ary fahalemem-panahy dia toerana tian‟ny anjely hovangiana, ary

ahazoan‟Andriamanitra voninahitra… Hasambarana tefin‟Akany, p. 12

Tsy nitaraina I Hana na dia indraim-bava aza, fa lasa namboraka tamin‟I Jehovah ny fahoriany ieay izay tsy azony nozaraina tamin‟ny olombelona na iza na iza. …

Nitomany dia nitomany I Hana, raha nivavaka mangingina teo akaikin‟ny varavaran‟ny tabernakely. Tsy fahita firy tamin‟izany vaninandro izany mantsy ny fitiavam-bavaka mitovy amin‟izany. …

Nangoraka indrindra ilay Mpisoronabe, izay lehilahin‟Andriamanitra ka navadiny ho tso-drano avy hatrany ny levilevy nataony : “Mandehana soaman-tsara ; ary homen‟Andriamanitry ny Israely anao anie izay nangatahinao taminy.”

Patriarika sy Mpaminany, 600, 601. Fandalinana : (ifampizarana)

Fotoana inona tena ilanao namana ? inona no ataonao amin‟ireny fotoana ireny ?

Efa nanandrana ve ianao niresaka tamin‟I Kristy (ao an-tsaina na miteny mihitsy raha tsy misy olona eo) ny zavatra rehetra miseho amin‟ny fiainanao ve ianao, na inona na inona, amin‟ny fotoana rehetra – toy ny hoe eo akaikinao foana Izy?

Rarivato :

Andeha samy hisaina zavatra iray tena mahafaly antsika tamin‟ity anio ity, dia lazao an‟I Kristy ao am-ponao.

Raha nisy ihany koa tena nampalahelo anao dia fotoana koa izao izaranao izany amin‟I Kristy.

Aza hadinoina ny milaza Aminy ihany koa ireo hadisoana rehetra vitanao.

Aoka hisy vavaka mandohalika ataon‟ny rehetra (vavaka mangina). Saintsaino :

“Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany. Sambatra ny olona izay tsy isain‟I Jehovah heloka, ary tsy misy fitaka ny fanahiny.” Sal. 32 : 1, 2.

“Andramo ka izahao fa tsara Jehovah; Sambatra ny olona mialoka aminy”

Tovana :

“Mivavaha ao amin‟ny efitranonao, ary raha mandeha ho any amin‟ny raharahanao ianao, aoka hakarina matetika any amin‟Andriamnitra ny fonao. … Miakatra toy ny fofo-manitra eo amin‟ny seza fiandrianan‟ny fahasoavana ireny fivavahana mangina ireny. Tsy azon‟ny Satana resena izay manana fo tsara antoka toy izany eo amin‟Andriamanitra.

Ento mandrakariva eo anoloan‟Andriamanitra ny ilainao, ny fifalianao, ny fahorianao, ny fanahianao, ny tahotrao… Ento eo aminy ny zavatra rehetra manahirana ny saina. Tsy misy zavatra mavesatra loatra ka tsy ho zakany … Tsy misy na inona na inona izay momba ny fiadanantsika no azo atao hoe kely loatra ka tsy ho hitany. Tsy misy toko ao amin‟ny zava-mihatra amintsika azo atao hoe maizina loatra ka tsy ho voavakiny ; tsy misy zava-tsarotra manahirana loatra, ka tsy ho hainy hazavaina. Tsy misy loza mahazo mihatra na dia amin‟izay kely indrindra amin‟ny zanany aza, tsy misy tebiteby mampijaly ny fanahy, tsy misy fifaliana mahamiramirana, tsy misy fivavahana marina navoaky ny vavaka, izay tsy voadiniky ny Raintsika izay any an-danitra, na tsy nanaitra Azy niaraka tamin‟izay.” DHK. T. , 114, 116.

KOFEHY VOLAMENA :

MIFANDRAISA TSY TAPAKA AMIN’ILAY RAINAO IZAY ANY AN-DANITRA.

NANOMANA HASAMBARANA HO ANAO IZY ANIO!

Page 13: Tanjona - zonemandrosoa.e-monsite.comzonemandrosoa.e-monsite.com/medias/files/hetsika... · “Izay Voky maharaka ny namany” “Vatsy sy Aina” Anjaran’ny DR na ny Loholona eo

FIZ.2 SAMBATRA ny malemy fanahy…

Fototra : Na dia fanehoana ny famirapiratan‟ny voninahitry ny Ray aza kristy, dia “tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny

fitoviana amin‟Andriamnitra fa nofoanany ny Tenany tamn‟ny nakany ny endriky ny mpanompo.” (Fil. 2 : 6 – 7). Nekeny tsy tamim-pisalasalana ny handia ny fiainana ambany sy fara-idiny indrindra … Teo amin‟ny toetrany dia tsy nahitana tandindom-piavonavonana na fizahozahoana kely akory…

Ny fitiavan-tena no manafoana ny fiadanana. Raha mbola velona ao ny fizahozahoana, dia vonona mandrakariva hiaro azy tsy ho voaratra na ho voatebiteby isika, fa raha maty kosa izy ka voafina miaraka amin‟I Kristy ao amin‟Andriamnitra ny fiainantsika, dia hitsahatra tsy hihevi-tena intsony isika. Manjary tsy re ireo teny faniniana, ary zary tsy hita ny vono aman‟ozona. “Ny fitiavana hoy ny teny dia mahari-po sady mora fanahy ; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otri-po, …; mandefitra ny zavatra rehetra…”I Kor. 13 : 4 – 8.

Raha manjaka ao amin‟ny ankohonana ny halemem-panahin‟iKristy dia hahatonga azy ho fonenam-pahasambarna tokoa izany ; tsy miteraka fifandrafiana izy, na manoro valin-tenin-katezerana, fa manalefaka kosa ny toe-po mora tohina, ka mahatonga ny mpianakavy hifampitsimbina sy hifampihevitra.

Sambatra, 20, 21, 22.. Fandalinana : (ifampizarana)

Milazà santionan-javatra tena tsy tantinao sy ny fihetsikao ary ny fihetseham-ponao (faly, tezitra, sns ..) rehefa nataon‟ny olona aminao izy ireo ? Milaza tranga iray.

Andeha atao hoe tsy namaly ianao ary tsy tezitra, lazao hoe izay mety ho nitranga ? Rarivato :

Soraty izay tena mba tianao ao an-trano na rehefa ao an-trano..

Misy amin‟izy ireo ve mba azonao zaraina amin‟ny ao aminareo. (mifampizarà, tandremo fa tsy fotoana fitsikerana mihitsy izao an ! Avelo hiteny ny rehetra !)

Soraty indray hoe izay toetranao tianao sy izay toetranao ka tsy tianao na mba tianao hovana. (aza ariana mihitsy ireo lisitra ireo).

Andao hanontany an‟I Jesosy raha sitrany avokoa izy ireo.

Aoka hisy vavaka mandohalika ataon‟ny rehetra (vavaka mangina). Saintsaino :

“Ary izaho dia olitra, fa tsy olona, fandàtsan‟ny olona sy fanevatevam-bahoaka. Izay rehetra mahita Ahy dia manaraby Ahy; Manondro molotra izy sady mihifikifi-doha ka manao hoe : Efa niankina tamin‟I Jehovah Izy, dia aoka Izy no hamonjy azy … raha mankasitraka Azy Izy.” Sal. 22 : 6 – 8. vakio : Matio 27 : 42 – 44.

“Ary hoy Jesosy : Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony.” Lioka 23 : 34. Tovana :

“Izay mijery matetika ny hazo fijaliana teo Kalvary, ka mahatsiaro fa ny fahotany no mahatonga ny Mpamonjy teo, dia tsy hitady na oviana na oviana hampitaha ny halehiben‟ny fahotany amin‟ny an‟ny hafa. Tsy hiakatra eoamin‟ny seza fitsarana izy ka hiampanga olon-kafa. Tsy mety hisy fanahin‟ny fitsaratsarana na fanandratan-tena eo amin‟izay mandeha eo amin‟ny aloky ny hazo fijalian‟I Kalvary.

Rehefa tsaroanao fa afaka hanao tsinontsinona ny voninahitrao ianao, eny, hanolotra ny ainao aza, mba hamonjena an‟ Ilay rahalahinao diso lalana, dia efa nanala ny andry teo amin‟ny masonao ianao izany ary efa voaomana hanampy ny rahalahinao. Dia mahazo manatona azy ianao amin‟izau, ary hahazo ny fony. Tsy mbola nisy olona na iza na iza azo nesorina tamin‟ny lalan-dratsiny, tamin‟ny fampiasana ny faniniana sy ny fanebahana ; … Ny fanahy mora, ary ny fihetsika malemy fanahy sy mamabo fo, dia mety hamonjy ny mania, sy hanarona fahotana maro. Ny fanambarana an‟I Kristy eoamin‟ny toetra dia hanana hery manova eo amin‟ny olona rehetra izay mifampikasoka aminao. Aoka Kristy no ho hitaisan‟andro eo aminao, dia hasehony avy aminao ny hery mahaforona ananan‟ny Teniny, dia toetra malemy fanahy, mahataona, nefa hery matanjaka koa hamorona fanahy hafa indray haka ny hatsaran-terehin‟ Ilay Tompo Andriamanitrao.” Sambatra, 99, 100..

Ivereno vakiana (rehefa irery ianao) ny Fototra ery ambony. Takaro ny famaritana ny hoe : malemy fanahy ; hita ao amin‟io fototra io. Mivavaha mba hanomezan‟Andriamanitra izany anao isan‟andro. Mivavaha isaky ny alaim-panahy ianao hanao fihetsika mifanohitra izany.

KOFEHY VOLAMENA :

MIVAVAHA HO TONY - MIHATRA AMIN’I KRISTY IZAY MANJO ANAO.

Page 14: Tanjona - zonemandrosoa.e-monsite.comzonemandrosoa.e-monsite.com/medias/files/hetsika... · “Izay Voky maharaka ny namany” “Vatsy sy Aina” Anjaran’ny DR na ny Loholona eo

FIZ.3 SAMBATRA ny miantra…

Fototra : “ Miray toetra amin‟Andriamanitra ireo izay mahay miantra sy mamindra fo amin‟ny namany, ary mitaratra eo amin‟ny

fiainany io fitiavn‟i Kristy feno fangorahana mandrakariva io. Izay manana fo mifandray amin‟Ilay Tia tanteraka dia tsy mba maika hanameloka, fa vonona hifanamboatra. Toy ny loharano tsy mety ritra ny fahasoavana voarain‟izay nampiantrano an‟ i kristy hitoetra ao am-pony, ka izay manana Azy dia manana faniriana mitafotafo hanisy soa namana.”

Sambatra, 26. Fandalinana : (ifampizarana)

Tsarovy ny lesona omaly, nisy ady mafana natrehinao ve taorian‟izy iny? Milazà tranga iray sy ny nanampian‟Andriamanitra anao.

Inona no heverinareo fa tena mahasarotra io fanandramana voalaza eo ambony io ? Rarivato : Ny tambatoetra (temperament) sy ireo toetra (caractères) miaraka aminy :

Ny fahafantarantsika ny toetran‟ireo ao an-trano dia hanamora ny fifandraisana..

Ity misy fahalalana izay mety hanampy antsika hamantatra ny namantsika :

Ny MITROATRA (Sanguin) : Efa mahavita zavatra izy vao mandinika, izay ao am-pony dia avoakany avy hatrany. Mora Tezitra, mora faly ! Be resaka be : Mpanentana mahay izy noho izany ! tsy manaraka lojika indraindray ary mikorontana (ny asany).

Ny SENDAOTRA (colerique), : Tia miady hevitra izy, tsy tia antsipirihan-javatra Milamina.Leader (Mpitarika mahay),, mahay mandray fanapahan-kevitra. Tia maneso rehefa miady hevitra. Be resaka ihany koa nefa mandinika kokoa ary manaraka lojika.

NYy MALAHELOHELO (Mélancolique) : tsy fantatra izay tena ao am-pony, Mandinika lalina (ny lasa) vao mihetsika, tia antsipirihan-javatra, tia olona sy be fangorahana, baikon‟ny fihetseham-po, Tsy mionona (perfectionniste), mora tohina.

Ny TONY (Flegmatique) : Mandrefy teny, tony sy Mandinika. Maina nefa mavesa-teny. Tsy mora tezitra, tsy tia fifandonana, manao vazivazy manindrona, mahay mampihavana, azo itokiana. Manondraka rano mangatsika ireo mafana fo.

Samy hananantsika kely izy ireo fa misy ny tena misongadina. Ny tambatoetra (temperaments, oh : colerique) dia tsy azo ovana : Anjarantsika ny mampitombo ireo toetra (caractère) tsara rehefa haintsika ny tambatoetrantsika (temperaments).

Saintsaino :

” Kefasy (Petera) dia vato kilonjy tsy mahatombina : Novana ho andry teo amin‟ny fiangonana voalohany. .

“Jaona : Zana-baratra : dia voaova ho Apostolin‟ny fitiavana”

Paoly tena Mirehidrehitra (hamono olona) : lasa nirehitra tamin‟ny fnompoana ny Tompo !

Azon‟Andriamanitra hampiasaina amin‟ny lafy tsarany avokoa ireo tambatoetra ireo. Aoka hivavaka ho amin‟ireo isika. (Asiana VAVAKA eto).

Tovana :

“Tsy nisy izay tsy nandraman‟I Kristy ny zava-mangidy izay kapoaka anjaran‟ny taranak‟olombelona. Tao ireo izay nanamavo Azy noho ny fomba nahaterahany ; ary na dia hatramin‟ny fahazazany aza dia tsy maintsy nisetra ny fijery maneso sy ny bitsibitsika manaratsy Izy. Raha namaly tamin‟ny teny na ny fijery nitory fahatezerana Izy, raha nilefitra tamin‟ireo rahalahiny Izy ka nanao fihetsika tsy mety na dia iray aza, dia tsy ho tanterany ny nahatonga ohatra tongalafatra Azy. Noho izany dia tsy ho tanterany ny fanatontosana ny drafitry ny fanavotana antsika..” Ilay Fitiavana Mandresy, 77 § 2

“Noho izany rehefa notsiratsiraina Kristy dia nisy fakam-panahy nahery vaika tonga taminy mba hampiseho ny toetra maha-Andriamanitra Azy. Teny iray, fijery iray, dia azony hanerena ny mpanenjika Azy hanaiky fa Izy no Tompo ambonin‟ny mpanjaka sy ny mpanapaka, ny mpisorona sy ny Tempoly. Nefa izay no adidy sarotra tsy maintsy hotazoniny, dia ny ho iray amin‟ny taranak‟olombelona ary izay toerana izay no nofidiany.” Ilay Fitiavana Mandresy, 752 § 2..

Ny fakampanahy lehibe indrindra dia ny famporisihan‟I Satana antsika haneho NY MAHA ISIKA ANTSIKA (personalité, droit) fa tsy ny VONINAHITR‟ ANDRIAMANITRA rehefa voahosihosy ny ZONTSIKA. Ary io tsy fandeferana voafetra io nahoana no dia hampiharintsika amin‟ireo malalantsika ?

Ny olona miteny mandratra, manao fihetsika mandratra dia manokatra varavarana idiran‟I Satana ary manorina Alitara ho an‟ilay fahavalo tsikelikely. Ny fahatezeranao sy ny valifatinao (famaly mitovy) dia firaisanao amin‟ny rarivato ataony. Iantrao izy dia mangoraha :MIVAVAHA hanovan‟ny Tompo ireo toetrany !

KOFEHY VOLAMENA :

AZA MANAMPY RARIVATO HO AMIN’NY ALITARAN’I SATANA. MANÀNA FO

MIANTRA IREO FANAHY LAVO!

Page 15: Tanjona - zonemandrosoa.e-monsite.comzonemandrosoa.e-monsite.com/medias/files/hetsika... · “Izay Voky maharaka ny namany” “Vatsy sy Aina” Anjaran’ny DR na ny Loholona eo

FIZ.4 SAMBATRA ny madio am-po…

Fototra : “Mbola misy hevi-dalina noho izany anefa ao amin‟ity tenin‟I Kristy ity hoe : “Sambatra ny madio am-po.” … Manao ny

marina na dia amin‟ny hevitra amam-pikasana miafina ao am-po aza, ary afaka amin‟ny fiavonavonana sy ny fitiavn-tena, ka manana toetra maotina sy tia namana ary tsotra toy ny zaza. … Fa izay manana fo madio kosa noho ny fitoeran‟ny Fanahy Masina ao aminy dia hafa tanteraka. .. Hoy ny teny : “izay tia fahadiovam-po, dia milaza soa ny molony, sady sakaizan‟ny Mpanjaka izy”. …

Sambatra, 28 § 3 ; 29 § 4,5. Fandalinana : (ifampizarana)

Tsy hoe hoe miaritra ny tsy rariny fotsiny no ilain‟Andriamanitra amintsika fa ny tsy hitehirizantsika azy ireny ao am-pontsika. Efa nandalovanao ve izany fanandramana izany. Raha eny, dia mba tantarao ny hatsarany ?

Inona no heverinareo fa tena mahasarotra io fanandramana voalaza eo ambony io ? Rarivato : Tsiambaratelo : Ny

Ireto rarivato ireto dia hanampy antsika hahatsapa ny hafa (comprehension) :

Manana zo hanana ny heviny ny hafa ary haneho izany.

Manana zo hajaina amin‟ny heviny ny hafa. (tsy voatery hiady hevitra aho.)

Manana adidy hifanakalo hevitra am-panajana ny aho.

Manana adidy isaintsaina ny hevitry ny hafa aho rehefa aorian‟ny fifanakalozan-kevitra ka hijery izay mety (angle) mahamarina ireo hevitra narosony.

Manana adidy hamela ary hanadino ireo hadisoan‟ny hafa aho ka tsy hiresaka intsony izany mandrakizay. (na dia mbola tsy nifona tamiko aza izy !)

Manana adidy hijery na hanao zavatra iraisana mahafinaritra ny mpianakavy .

Manaova programa vaovao (in-droa na in-telo isan-kerinandro farafahakeliny) amin‟izay zavatra mahafinaritra ny rehetra ary aoka ho etina am-bavaka eto izany.

Saintsaino :

“Ary mamelà ny helokay tahaka izay meloka taminay … Fa raha mamela ny fahadisoan‟ny olona hianareo dia mba hamela anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra.” Matio 6 : 12, 14.

“Fa izaho kosa milaza ainareo hoe : Izay rehetra tezitra amin‟ny rahalahiny dia mendrika hohelohina amin‟ny fitsarana ; ary na zovy na zovy no hanao amin‟ny rahalahiny hoe : Olom-poana ianao dia miendrika hohelohina amin‟ny Synedriona ; ary na zovy na zovy no hanao hoe : Foka ialahy, dia miendrika ho ao amin‟ny farihy mirehitra afo.” Matio 5 : 22. jereo koa : Salamo 15 : 1- 5 ; Heb. 12 : 14.

I Jao. 4 : 20 – 21 ; 5 : 1 ; I Jaona 4 : 7, 8, 12, 16 ; I Jao. 3 : 13 -15, 16-18.

Tovana : “Ny nahazoantsika ny zavatra rehetra aza dia avy amin‟ny fahasoavana maimaim-poana eo amin‟Andriamanitra. … Aoka

tsy hisy fotoana hanakiviana an‟izay nanao meloka. Aza avela hiditra ao amin‟ny rahalahinao ka handratra azy ny fahamafisam-pon‟ny Fariseo. Aoka tsy hisy fanarabiana feno fankahalana hitsimoka ao an-tsaina na ao am-po. Aoka ny kaikitry ny esoeso mba tsy ho hita eo amin‟ny feo. Raha mamoaka ny teny avy aminao ianao, raha miseho ho tsy miraika na mampiseho fiahiahiana na tsy fahatokisana ianao, dia mety hitondra fahaverezana ho an‟ny fanahy iray izany. Mila rahalahy anankiray manana fo mangoraka toy ny an‟Ilay Rahalahy Zokintsika izy mba hanohina ny fony. Aoka izy hahatsapa ny famihinana mafy avy amin‟ny tanana mitondra firaisam-po aminy ary aoka izy handre bitsibitsika hoe : aoka isika hivavaka. Hampanakarena ny fanandramana ataon‟ny roa tonta Andriamanitra. Ny fivavahana dia mampiray antsika samy isika sy mampiray antsika amin‟Andriamanitra. Ny fivavahana dia mitondra an‟iJesosy eo anilantsika, ka manome ho an‟ny fanahy reraka sy sahirana, hery vaovao hoenti-mandresy ny devoly. Ny fivavahana dia mampiala ny fanafihan‟i Satana. .” Henoinareo ny fanoharana, 210, 211.

“Rehefa mihodina ka manala ny masontsika tsy hijery ny tsy fahatanterahan‟ny olombelona isika, fa mibanjina kosa an‟ I Jesosy, dia misy fanovana avy amin‟Andriamanitra maka toerana ao amin‟ny toetra amam-panahintsika. Ny Fanahin‟I Kristy no miasa eo amin‟ny fo, ka mahatonga azy hitovy endrika Aminy..” Henoinareo ny fanoharana, 211.

Inona avy no fisehon‟ny fahadiovam-po ary ahoana no fomba hananao azy ?

“Ary Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy!” Rom. 5 : 8.

KOFEHY VOLAMENA :

FENOY RARIVATON’ ny FAMELAN-KELOKA NY ALITARANAO!

MIVAVAHA MBA HO FIAINANAO IZANY!

Page 16: Tanjona - zonemandrosoa.e-monsite.comzonemandrosoa.e-monsite.com/medias/files/hetsika... · “Izay Voky maharaka ny namany” “Vatsy sy Aina” Anjaran’ny DR na ny Loholona eo

FIZ.5

SAMBATRA ny mpampihavana…

Fototra : “Kristy no Andrianan‟ny fihavanana, satria Izy no nirahin‟ny Ray hampiorina ny fihavanan‟ny tany sy ny lanitra izay

noravan‟ny fahotana. … Io no fototra tokana iorenan‟ny fandriampahalemana. Fa ny fahasoavan‟I Kristy izay raisina ao am-po dia mandresy ny

fankahalana sy mampitony ny fifandirana ary mameno ny fitiavana amin‟ny fo. Tsy mba ho fadiranovana izay tsara fihavanana amin‟I Kristy sy amin‟ny olona. Tsy hisy ao am-pony ny fitsiriritan-dratsy na fiahiahiam-poana ny sasany ary tsy ho hita ao ny fankahalana. Fa mandry fahizay toy ny efa any an-danitra sahady izy, manao ny sitrapon‟Andriamanitra ka mandraraka fofo-manitra eo amin‟ny manodidina azy. Toy ny ranonando mangatsiaka ny saina tia fihavanana, ka mamelombelona ny fo torovana sy ory noho ny adin‟izao fiainana izao.”

Sambatra, 30, 31. Fandalinana : (ifampizarana)

Iza no tena diso rehefa milaza ny adintsika amin‟ny hafa isika ?

Araho ireto tantara roa ireto : (iray izy ireo fa tsy mitovy ny fitantarana) :

“Nifanena teo an-dalantsara izahay, tsy mijery lalana mihitsy izy rehefa mandeha, tonga dia nodominy aho ary niparitaka ny entako, meteza ianao amin‟ny toerako, lalana malalaka be io. Tezitra aho, izy amin‟io mivandravandra tsy manao azafady !”

“Nifanena teo an-dalantsara izahay. Maika be izy, izaho koa moa variana, ka dia nifandona izahay. Taitra izy ka tsy nahateny, izaho rahateo moa tonga dia nanao hoe :”aza fady!” Eny e, niparitaka ireo zavatra teo an-tanako fa voahorina vetivety!”

Inona no heverinareo mahasamihafa ireo fitantarana ireo ? Rarivato :

Ilay fitantarana voalohany dia antsoina hoe : IHARANA (victime), ny faharoa kosa : TOMPON‟ANDRAIKITRA (responsable).

Lasa Mpampihavana isika rehefa mizatra manao fitantarana tompon‟andraikitra.

Mifarana ny ady rehefa mahita ny hadisoanao ianao ary manaiky izany an-kitsipo.

Ny vy tsy mikitrana irery, ary esory aloha ny andry eo amin‟ny masonao.

Ny tsikera dia toy ny baolina spaonjy, miverina amin‟izay nanipy azy eny amin‟ny rindrina izy.

Tianao ve ny hanana fomba fijery toy izany. Tsy hainao atao izany raha tsy Jesosy no manova ny fonao. Andeha hagataka izany aminy.

Saintsaino :

“Aza mitsara, mba tsy ho tsaraina ianareo.” Matio 7: 1.

“Aza miavonavon-kevitra ka mihevitra noho izay tokony ho heverina “ Rom. 12 : 3,.

“Aza manao ny tenanareo ho Hendry., ataovy izay hiavananareo amin‟ny olona rehetra” Rom 12 : 16, 18. Tovana :

Ny miresaka no fomba tsara indrindra hamahana ny olana. Amin‟ny kolontsaina Malagasy dia sarotra ny mamaky bantsilana fa ny tanety lava hono misy isainana. Nefa hoy koa izy hoe: Mpifakatia tsy miresaka very ny androtokom-pitiavana. Koa ireto misy tranga sy fomba famahana olana :

Ny Mifanandrina : Ny mahamaika eto dia hoe izaho no mandresy, izaho no marina.

Ny Mialairika : “Tsy te hiresaka aminao momba izany aho!” “Ajanony any !” Tsy miteny fa mirintona dia lasa.

Ny Marimaritra : Mitady marimaritra iraisana. Samy mandresy, samy diso. “Manaiky aloha aho fa misy hadisoako ihany.” “Eny ary , fa ataoko ary ireto fa ireto kosa mba anao.”

Ny Miara-miasa : Mitady ny tombotsoa iombonana mba handaminana ny olana. “Mivaha anie io raha miaraka manao izao isika e…”

Ny Milamina : Manaiky hampitsahatra ny tombotsoany mba hahafa-po ny hafa. Ataony sorony izay ilainy. “Eny e ! Ahy tanteraka ny hadisoana fa ifonako ! “ “tsisy hadisoanao mihitsy izany ka.”

Irian‟ny Tompo ny hananantsika fifandraisana milamina. Io no lasibatr‟I Satana voalohany. Fantany mantsy fa rehefa misoko ny olana eo amin‟ny olana eo amin‟ny olona roa dia ho voasakana ny tsy hiakatra any an-danitra ny fofo-manitry ny vavaka atao eo amin‟ny Alitara. Izay no nahatonga ny Tompo hiteny hoe :”Ary amin‟izany raha manatitra ny fanatitrao eo

amin‟ny alitara ianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao, dia avelao eo amin‟ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha ATAOVY IZAY HIAVANANAO amin‟ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny

fanatitrao.” Matio 5 : 23, 24. Rehefa mandrindra ny fihavanantsika amin‟ny hafa isika dia mampihavana antsika sy ireo namantsika amin‟Andriamanitra ihany koa. Nefa amin‟ny fivavahana sy fangatahana mafana ihany no ahafahantsika mitahiry ny fihavanantsika amin‟ny

olona ho mafy orina tanteraka.

Page 17: Tanjona - zonemandrosoa.e-monsite.comzonemandrosoa.e-monsite.com/medias/files/hetsika... · “Izay Voky maharaka ny namany” “Vatsy sy Aina” Anjaran’ny DR na ny Loholona eo

KOFEHY VOLAMENA :

FIZ.6 SAMBATRA izay enjehina…

Fototra : “Tsy mbola nisy na oviana na oviana olombelona noharatsiana tahaka an‟I Kristy Zanak‟ Olona. Notevatevaina izy,

nesoina noho ny nakatoavany tanteraka ny fitsipiky ny lalàna masin‟Andriamanitra. Nankahalaina tsy ahoan-tsy ahoana, kanefa nijoro tamin‟ny endrika tony, ary nanatrika tamin-kasahiana ny fahavalony, sady nanambara fa ny fanaratsiana dia anjara tsy maintsy hozakain‟ny kristiana. …Izay manana finoana mifikitra eo amin‟Andriamanitra dia tsy miova amin‟ny fanenjehana mampangirifiry indrindra … NA dia haratsiana aza ny fiteniny sy ny fihetsiny ary ny asa ataony, dia tsy mampimalo azy akory izany, fa misy zavatra lehibe lavitra kendreny. Toa an‟I Mosesy izy ka “mahita ilay tsy hita.” Eo akaikin‟izay haratsiana sy endrinkendrehina Kristy, ary mahay mampianatra azy hiandry amim-pahanginana sy amim-paharetana ary amim-pinoana ny fanaratsiana sy ny fanamavoana mihatra aminy rehetra.”

Sambatra, 34. Fandalinana : (ifampizarana)

Samia mitantara ireo niaretan‟I Kristy ka tsy zakanao raha ianao no natao izany ?

Efa nisy ve mafy noho izay niaretan‟I Kristy tamin‟ny nataon‟ny olona taminao ?

Araka ny hevitrao : amin‟ny maha Zanak‟Andrimanitra Azy ve no nahafahany nizaka izany sa inona no tsiambaratelony ?

Araka ny hevitrao, mba zanak‟Iza ary ianao ? inona koa no tokony ho tsiambaratelonao ? Rarivato :

Mora ho an‟ny sasany ny miharitra ny fanenjehana sy ny teny maharary rehefa olona ivelany. Fa tsy tanty ary tonga miady raha ny ao an-trano no manao izany.

Mifanohitra amin‟izany ny an‟ny sasany fa zatra miaritra izany ao an-trano izy (ka tsy mahavaly na tena mandefitra mihitsy) ka rehefa any ivelany vao mitroatra ary tonga lozabe.

Samy tsy mety na ilay voalohany na ilay faharoa. Toetra tsy tokony miovaova izany.

Mila mivavaka isika mba tsy ho mpanendrikendrika (milaza ny tsy nataon‟ny olona na tsy nosaininy : aza afangaro izay nolazainy na izay ao an-tsainy) ary mba ahatanty fanejehana.

Andeha indray isika hagataka izany toetra izany amin‟Andriamanitra. Saintsaino :

“Kanefa aoka ny olona rehetra halady hiaino, ho malai- miteny, ho malain-ko tezitra; fa ny fahatezeran‟ny olona tsy ahefana izay marina eo imason‟ Andriamanitra .” Jakoba. 1 : 19, 20.

“Tsy misy olona mahafolaka ny lela, zava-dratsy tsy manam-pijanona izy sady feno ody mahafaty.” Jakoba 3 : 8.

Tovana :

“Ary fantasika fa ny Zavatra rehetra diamiara-miasa ahasoa izay tia an‟Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo.” Rom. 8 : 28

Mampiankina antsika amin‟I Kristy sy hahatonga antsika hivavaka bebe kokoa ny faenjehan‟ny olona (ireo fanenjehana tsy fidiny) raha tena TIA Azy isika.

“Fomba ahoana ary no hahasahianao manome tsiny olona izay maniry anao hiankina amin‟Andriamanitra. Fomba ahoana no hahafahanao ho tezitra amin‟ny olona izay manampy anao mba hanakaiky bebekokoa an‟Andriamanitra? Fomba ahoana no hahazoan‟I Josefa manome tsiny ny rahalahiny noho izy ireo nivarotra azy ho any Egypta? Fomba ahoana no hahazoan‟I Mosesy manome tsiny ilay Jiosy nitatitra momba ilay vono olona nataony, ka nahatonga azy handositra hiery ? Tokony ho raisintsika amim-pifaliana ny FAHORIANA. Nahoana ?”2

Ny sifo-dranomasina (Masajy) dia manana hoditra malemy dia malemy. Rehefa misy voam-pasika tafiditra ao aminy dia mandefa tsiranoka toy ny ronony izy handrakota ilay voam-pasika mba hampahazo aina azy sy hampihena ny fanaintainany. Io fifangaroan‟io tsiranoka sy fasika io no manome perla soa sarobidy hita amin‟ireny sifo-dranomasina ireny.

Avelao ny Fanahy Masina hiasa : 1- Aza manaiky ho resin‟ny ratsy. 2 - Aza manameloka tena (indrindra amin‟ny vintana : hiafara amin‟ny famoizam-po izany ary famonoan-tena). 3- Aza manome tsiny ny hafa.

2 Dr Andrews. L. Woo, Dingana ho amin’ny tena toe-panahy araka an’Andriamnitra, p. 144, 145.

AOKA HANDROSO FITIA AMIN’ANDRIAMANITRA SY NY OLONA

Page 18: Tanjona - zonemandrosoa.e-monsite.comzonemandrosoa.e-monsite.com/medias/files/hetsika... · “Izay Voky maharaka ny namany” “Vatsy sy Aina” Anjaran’ny DR na ny Loholona eo

KOFEHY VOLAMENA :

FIZ.7

Hianareo no Fanasina…

Fototra : “Ny tsiron‟ny fanasina, izay hery lehibe ao amin‟ny kristiana ary, dia ny fitiavan‟I Kristy voarakitra ao am-pony sy ny

fahamarinan‟I Jesosy mamonto ny fiainany. Tsy mahay mitoe-poana ny fitiavan‟I Kristy. Raha itoerany tokoa ny fontsika dia hiampita eo amin‟ny sasany koa izy ary hanatona azy ireny isika, ka hifindra aminy ny hafanana avy amintsika : Ny tena mpivavaka dia mamindra aim-panahy lehibe amin‟ny manodidina azy, ary izany hery izany no miditra ao amin‟io olona io. Tsy hery avy amin‟ny tenany anefa, fa herin‟ny Fanahy Masina.

Raha tsy azon‟ny Fanahy Masina atao ny mampiasa antsika ho mpitondra ny fahamarinana amin‟izao tontolo izao dia isika no sira very tsiro, tsy mahasoa na inona na inona”

Sambatra, 37, 38. Fandalinana : (ifampizarana)

Inona no antsoina hoe fanasina ary Ahoana no tokony ho toetran‟ny olona Fanasina ? Milazà sehatra vitsivitsy (aoka ny mpianatra no hilaza ny aminy, ny mpiasa hilaza ny aminy sns … mba tena fahatsapan‟ny tsirairay ny toerana misy azy no hivoitra).

Inona no antony mety ahatonga ny olona tsy ho azon‟ny Fanahy Masina hampiasaina ho mpitondra ny hafatray ny fahamarinana raha resaka Fanasina no lazaina?

Nanosotra savoka ianao, dia indro fa nihazakazaka mafy nanitsika ilay trano vao nohosorana savoka ny zandrinao. Inona no teny Fanasina ataonao azy?

Tsarovy ilay fitantarana hitantsika tany aloha eo am-pamaliana azy ianao. Rarivato :

Tsy misy olona velona ho an‟ny tenany. Jereo izay mahasoa ny hafa

Asehoy amin‟ny fiteny tsotra, mahitsy nefa malefaka ny fihetseham-ponao : “Faly aho raha …” “Malahelo be Dada raha …” ; “Faly be zao za sady tsy ho reraka raha…” ;

Sariho ny fihetseham-pon‟ny hafa :”Mahafaly an‟I Nary ve raha mba manampy an‟I Neny hanao …?” ; “Malahelo be ve izao I Mialy raha antsoiko vetivety aloha …?.”

Ny fihetsika tony asetry dia mampiova tsikelikely ny sain‟ny olona ho resy lahatra fa ny teny maharary dia manery hiova eo no eo ao anatin‟ny ratram-po !

Rehefa fenoina fitenim-pitiavana hatrany lavitry ny fanomezan-tsiny ny molotra dia hambabo fanahy ho an‟I Kristy isika na dia tsy mitory mivantana aza.

Andeha indray isika hagataka izany toetra izany amin‟Andriamanitra. Saintsaino :

“Aza manome fitoerana ho an‟ny Devoly.” Efe.4 : 27. (vakio miadana Efes. 4 : 25–32)

“Aoka ny fiteninareo ho amin‟ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra.” Kol. 4 : 6.

“Tsy misy olona mahafolaka ny lela, zava-dratsy tsy manam-pijanona izy sady feno ody mahafaty.” Jakoba 3 : 8. Tovana :

“Marihina fa misy fihetsika roa samihafa izay manatsatso ny hery anatintsika alefan‟I Satana :

Famporisihana hamoaka ny hatezerana sy ny ao am-po araka ny fisamboaravoarany. Mihamahery setra ny olona voataiza amin‟izany ary mandratra hatranny ny fihetsiny.

Famporisihana ny olona hanafoana ny fahatezerany sy hanafoana ny fihetseham-pony. Misy ngidy tsy lefy amin‟ilay olona ary mangatsiaka tanteraka izy any amin‟ny fiainam-panambadiana. Lasa saro-tahotra ka tsy mandray andraikitra.

Ny Baiboly dia miteny hoe :”Tezera fa aza manota. Ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.” Midika izany fa manana zo tsy hankasitraka ny zavatra ataon‟ny sasany isika nefa ampianarina hifehy tena isika.

“Miova ny endrika. Mamirapiratra eo amin‟ny endrik‟ireo izay tia Azy sy mitandrina ny didiny I Kristy mitoetra ao am-po. Voasoratra ao ny Fahamarinana. Hita eo ny fiadanana mamy avy any an-danitra. Miseho eo ny fahalemem-panhy manjary fahazarana, ny fitiavana mihoatra noho ny fitiavan‟olombelona. Miasa hanova ny olona manontolo ny masirasiran‟ny fahamarinana, manentina ny madilana, manalefaka ny maherisetra ary mampahalala-tanana ny tia tena. Noho ny asany dia voadio sy voasasa ao amin‟ny ran‟ny Zanak‟ondry ny maloto. Amin‟ny alalan‟ny heriny mitondra aina dia mampifandrindra izay rehetra ao amin‟ny saina sy ny fanahy ary ny hery amin‟ny

PERLA SOA NO HIPOITRA RAHA AVELANAO HANAO NY ASANY NY

FAHORIANA

Page 19: Tanjona - zonemandrosoa.e-monsite.comzonemandrosoa.e-monsite.com/medias/files/hetsika... · “Izay Voky maharaka ny namany” “Vatsy sy Aina” Anjaran’ny DR na ny Loholona eo

fiainan‟Andriamnitra izy. Manjary mpiray amin‟ny fomban‟Andriamnitra ny olona eo amin‟ny maha-olona azy. Omem-boninahitra I Kristy eo amin‟ny fahataterahan‟ny hatsaran-toetra amam-panahy. Rehefa tantaeraka ireo fanovana ireo, dia velon-kira, feno hobim-pifaliana sy hasambarana ny anjely, ary Andriamanitra sy Kristy dia ravoravo noho ireo fanahy voavolavola araka ny fitoviana amin‟Andriamanitra. “ Henoinareo ny fanoharana, 77.

KOFEHY VOLAMENA :

FIZ.8 Hianareo no Fahazavana…

Fototra : “Kristy anefa tsy nandidy ny mpianany hoe :”Miezaha mba hampahazava ny fahazavanareo”, fa hoy Izy :”Aoka hazava,”

izany hoe tsy anjarantsika ny hanao izay hamirapiratan‟ilay jiro, fa tokony hamirapiratra rahateo izy. Raha mitoetra ao am-pontsika Kristy dia tsy ho haintsika ny hanafina ny fahazavany. Fa matoa tsy tazan‟izao tontolo

izao ny fahazavan‟ny Filazantsara eo amin‟ireo manao ny tenany ho Kristiana, dia satria tsy ao aminy ny hery mahavelona, fa tafasaraka amin‟ny Kristy Loharanom-pahazavana izy.”

Sambatra, 40. Fandalinana : (ifampizarana)

Inona no antom-pisian‟ny tsirairay raha ny fanirian‟Andriamanitra Azy?

Fahazavana inona no tian‟ny Tompo lazaina? Milazà fomba sy santionany?

Inona no heverinao fa sarotra kokoa : ny ho Fanazavana eny ivelany sa ny ho Fahazavana ato an-trano? Inona no mety ho antony ?

Fanazavana (fitaratra) amin‟inona avy no azonao atao ato an-trano? Rarivato :

Andao hivavaka hangataka hoe : Iza no tian‟Andriamanitra hanehoanao ny fahazavana amin‟ny andro manaraka :

dia Misainà anaran‟olona, fomba, toerana azo anehoana ny fitiavan‟I Kristy rehefa avy eo.

Rahampitso dia lazao ny fanandramana nataonao niaraka tamin‟ny Tompo.

Ny tenin‟Andriamanitra sy ny toetran‟Andriamanitra. Ireo roa ireo dia fahalalana mila ampitomboana ao amintsika ary tokony hozaraina.

Saintsaino :

“Takatry ny sainao va ny fomban‟Andriamanitra ? Ary tanteraka va ny fahitanao ny Tsitoha.” Joba 11 :7.

“Koa raha niara-natsangana tamin‟I Kristy ianareo, dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin‟izay itoeran‟I Kristy, Izay mipetraka eo an-tanana ankavanan‟Andriamanitra. Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra et`y an-tany.” Kol. 3 : 1, 2..

“Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao ; fa aoka ho tonga fianarana ho an‟ny mino ianao amin‟ny fiteny, amin‟ny fitondran-tena, amin‟ny fitiavana, amin‟ny finoana, amin‟ny fahadiovana.” I Tim. 4 : 12.

Tovana :

“Aoka ny fotoana anaovana ny fivavahana mba ho tena ahitam-pahafinaretana tokoa. Tsy misy antony tokony tsy hanaovana izay hahatonga io fotoana io ho fotoana mahafaly indrindra amin‟ny indray andro manontolo. Raha mba asianareo fiomanana kely izany, dia mety hahafinaritra mihitsy, sady ahitantsoa. Asio fanovaovana matetika. Azo atao koa ny mametraka fanontaniana ny amin‟ny teny novakiana, na manao fanazavana mifanentana amin‟izany. Azo atao ny mihira hira fiderana. Aoka ho fohy sy mivantana ny fivavahana. Izay voatendry hivavaka dia tokony hampiasa fiteny tsotra, sy misy hafanam-po ; tokony hidera an‟Andriamanitra noho ny hatsarany izy, ka hangataka Aminy ny fanampiany. Raha azo atao, dia avelao mba hanana anjara amin‟ny vakiteny koa sy amin‟ny fivavahana ny ankizy. Ny fiainan‟I Abrahama, ilay sakaizan‟Andriamanitra, dia fiainana vontom-pivavahana. Na taiza na taiza no nanorenany ny lainy, dia nananganany alitara koa izay nanaterany fanatitra marain-tsy hariva. Rehefa niainga izy, dia navelany teo ilay alitara. Rehefa mandalo eo anilan‟io alitara io kosa ny Kananita mpivezivezy, dia fantany ilay efa nitoby teo. Koa rehefa avy manangana ny lainy koa izy, dia manamboatra izay rava tamin‟ny alitara, dia mivavaka amin‟Andriamanitra velona. Toy izany no tokony hahatonga ny tokantrano kristiana ho fahazana eo amin‟izao tontolo izao. Avy eo no tokony hisandratan‟ny fivavahana marain-tsy hariva, toy ny ditin-kazo manitra. Ny valin‟ izany kosa, dia ny firotsahan‟ny famindram-pon‟Andriamanitra sy ny fitahiany amin‟ireo mpivavaka ireo, toy ny firotsaky ny ranon‟ando amin‟ny maraina.” Toro lalana ho an‟ny Fiangonana, 94, 95.

MANISY FANASINA AO AMINAO KRISTY. ANGATAHO SY AMPIASAO.

Page 20: Tanjona - zonemandrosoa.e-monsite.comzonemandrosoa.e-monsite.com/medias/files/hetsika... · “Izay Voky maharaka ny namany” “Vatsy sy Aina” Anjaran’ny DR na ny Loholona eo

KOFEHY VOLAMENA :

FIZ.9 Hianareo no Sakaizako…

Fototra : “Tsy maintsy manana fifaneraserana amin‟ny Raintsika izay any an-danitra isika, mba hananantsika aim-panahy sy herim-

po. Mety ho voatarika any aminy ny saintsika; mety hieritreritra ny amin‟ny asany sy ny famindram-pony ary ny fitahiany isika, nefa tsy izany no firaisana aminy, rah any tena marina no holazaina. Raha te hiray amin‟Andriamanitra isika, dia tsy maintsy manna-javatra holazaina aminy ny amin‟ny toe-piainantsika.

Ny fivavahana dy famborahana ny fo amin‟Andriamanitra, toy ny amin‟ny sakaiza tiana indrindra. … Ny fivavahana dia tsy mampidina an‟Andriamanitra ho aty amintsika, fa mampakatra antsika ho any aminy kosa.

… Sakaizantsika Jesosy, ary ny ao an-danitra rehetra samy maniry hahasambatra antsika. Tsy tokony havela hampisalasala ny saina sy hampanjombona ny endritsika ny fahasahiranana sy zava-tsarotra mihatra amin‟ny fiainana isan‟andro. ”

Dia ho eo amin‟ny Kristy, Ed. T. 107, 139. Fandalinana : (ifampizarana)

Maharitra adiny firy no laninao irery rehfa mivavaka ianao ? Nahoana ianao no tsy mahita ho lazaina amin‟I Jesosy?

Samia mba milaza ny zavatra azo resahina amin‟I Jesosy amin‟ny maha sakaiza tiana indrindra Azy?

Milazà fotoana azonao iantsoana Azy amin‟ny maha sakaizanao Azy? Dia inona no ho lazainao Azy?Aiza avy ary no toerana mety iantsoanao Azy ka ahazoanao Azy?

Rarivato :

Tsy hiresaka sy hifamboraka ny ao am-po fotsiny ny Mpisakaiza :

Mifampatoky ny tena Mpisakaiza. (hatraiza ny fetra hatokisako Azy ?)

Mifamonjy ny tena Mpisakaiza..( Inona no efa namonjeny Ahy ka nisaorako Azy ?)

Mifanampy ny tena Mpisakaiza (Mandray anjara amin‟ny asa imasoany ve aho ?)

Ny naman‟ny Sakaizako dia namako koa (Tena naman‟ny ato an-trano ve aho ka azon‟ny olona rehetra hamborahana ny ao m-pony sy itokiany ary mifanampy aminy?)

Mifanaja ny tena Mpisakaiza (tena manaja Azy ve aho ka tsy mampalahelo Azy?)

Rehefa Saikazan‟I Kristy aho dia ahay hisakaiza amin‟ny hafa. Andeha hivavaka. Saintsaino :

“Hianareo no sakaizako, raha manao izay andidiako anareo.” Jaona 15 : 14...

“…efa nataoko hoe Sakaiza ianareo, satria izay rehefetra reko tamin‟ny Raiko no nambarako taminareo. Tsy ianareo no nifidy Ahy fa Izaho no nifidy anareo mba handeha sy hamoa ary mba haharetan‟ny vokatrareo, mba homen‟ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo na inona na inona.” Jaona 15 : 15, 16.

“Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.” Jaona 15 : 13.

KOFEHY VOLAMENA :

VELONA HO AN’ANDRIAMANITRA SY NY HAFA, IZAY NO ANTOM-PISIAKO .

SAKAIZA TENA TIA ANAO JESOSY . MATOKIA NY FITIAVANY..

Page 21: Tanjona - zonemandrosoa.e-monsite.comzonemandrosoa.e-monsite.com/medias/files/hetsika... · “Izay Voky maharaka ny namany” “Vatsy sy Aina” Anjaran’ny DR na ny Loholona eo

FIZ.10

Hianareo no Vavolombeloko…

Fototra : “Aza andrasana ao amin‟ny fidonanaham-poana ny batisan‟ny Fanahy Masina. Omena mba hanompo antsika ny

Fanahin‟Andriamanitra. Rehefa manaraka ny baikon‟Andriamanitra ny mambran‟ny fiangonana ka mivoaka hiasa, dia omen‟ny Fanahin‟ Andriamanitra ny fahaizana sy ny hery ilaina izy. Ny olona tena niova fo dia manana faniriana mafy hitaona ny hafa… Rehefa manolo-tena ho amin‟ny asan‟I Kristy isika, dia heken‟Andriamanitra izany, ka handrotsaka be dia be ny FAnahiny Izy… Rehefa tonga velona sy mahery miasa ny fiangonana, dia hovalian‟ny Fanahy Masina ny fangatahana ataony amin‟nyfahatsoram-po. Dia hisokatra ny vavahadin‟ny lanitra, ka hirotsaka be dia be ny ranonorana aoriana.”

Torolalana ho an‟ny Fiangonana, 36, 67. (Review and Herald, 25 Fevrier 1890)

Fandalinana : (ifampizarana)

Inona no azonao hamaritana ny hoe : Vavolombelona ?

Ahoana no ahafako manana fahasahiana hijoro ho Vavolombelona ?

Inona anefa no fepetra ahazoako ny Fanahy Masina ?

Azonao alamina tsara ve io fanambarana io ka lazao ny fomba hanomezan‟Andriamanitra ny Ranonorana Farany (Fanahy Masina miasa amin-kery sy amin‟ny fahafenoany ?

Rarivato :

Ny fiovam-po dia asan‟ny Fanahy Masina, tanteraka izy io rehefa ampileferina sy atolotra ho an‟Andriamanitra ny sitra-po rehetra.

Manam-paniriana hizara ny fahasoavana voarainy ny olona niova fo.

Mandray ny batisan‟ny Fanahy Masina isan‟andro izy.

Azo adika ho toy ny fanoloran-tena isan‟andro izany, manaiky ho tafiana ny fahamarinan‟I Kristy isan‟andro (angatahina izy io).

Midika ho fiainana ny fiainan‟ny olona voavela heloka isan‟andro izany.

Ary dia mirongatra ao anatiny ny faniriana te hamita ny asa nankinin‟Andriamanitra

Noho izany dia Tafiana ny Hery ilaina rehetra izy hahavitany izany dia ny ranonorana farany na ny HERIN‟ NY FANAHY MASINA.

Saintsaino :

“Tsy amin-kery na am-pahatanjahana fa amin‟ny Fanahiko hoy Jehovah Tompon‟ny maro.” Zak. 4 : 6.. “Fa hahazo hery ianareo amin‟ny hilatsahan‟ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran‟ny Jodia sy Samaria ary hatramin‟ny faran‟ny tany.” Asa 1 :8.

Tovana :

“Olona an-jatony no nitory ny Hafatra : „Efa akaiky ny fanjakan‟Andriamanitra‟. Tsy mahatana na mampahatahotra azy akory ny fandrahonana. Niteny tamin‟ny alalany ny Tompo ; ka na taiza na taiza nalehany dia sitrana ny marary ary ny malahelo dia nitoriana ny Filazantsara.”” Toro lalana ho an‟ny Fiangonana, 40, 41.

“Koa satria io no fomba izay handraisantsika hery, nahoana no tsy noana sy mangetaheta ny fanomezana ny Fanahy isika ? Nahoana no tsy ataontsika antaon-dresaka, antom-bavaka sy toriteny izany ? Vonona ny hanome ny Fanahy Masina amin‟izay manompo Azy ny Tompo, mihoatra noho ny fanirian‟ny ray aman-dreny hanome zavatsoa ho an‟ ny zanany. Tokony handefa fangatahana isan‟andro amin‟Andriamanitra ny mpiasa tsirairay mba handraisany ny batisan‟ny Fanahy Masina isan‟andro.” Toro lalana ho an‟ny Fiangonana, 46.

“Isa-maraina isa-maraina, raha mandohalika eo anatrehan‟ny Tompo ireo mpitondra hafatry ny filazantsara ka manavao ny voadin‟ny fanoloran-tena Aminy, dia homeny azy ny fanatrehan‟ny Fanahiny, amin‟ny hery mamelombelona sy manamasina. Rehefa mandeha manao ny andraikiny isan‟andro izy, dia manana toky fa ny herin‟Ilay Iraka tsy hita maso dia mahatonga azy ho “mpiara-miasa amin‟Andriamanitra.” Toro lalana ho an‟ny Fiangonana, 50.

KOFEHY VOLAMENA :

AMPY HO ANAO NY HERIN’NY FANAHINY SY NY FANATREHANY… RAHA

MINO IANAO !

Page 22: Tanjona - zonemandrosoa.e-monsite.comzonemandrosoa.e-monsite.com/medias/files/hetsika... · “Izay Voky maharaka ny namany” “Vatsy sy Aina” Anjaran’ny DR na ny Loholona eo

FIZ.11

Hianareo no Sampany…

Fototra : “Tahaka ny ikambanan‟ny sampana amin‟ny vatana, mba hitomboany sy hamoazany no tsy maintsy ikambanana amin‟I

Kristy mba hanana toe-piainana masina. Raha misaraka aminy ianao, dia tsy manana aina, sady tsy manan-kery hanoherana ny fakam-panahy, na hitomboana amin‟ny fahasoavana sy ny fahamarinana. … Ny fitomboantsika amin‟ny fahasoavana sy ny fifaliantsika, ary ny soa mety ho vitantsika, dia samy miankina amin‟ny fikambanantsika amin‟I Kristy avokoa. …. Tsy Tompon‟ny finoantsika ihany Izy, fa Mpanefa azy koa… Homba antsika Izy, tsy amin‟ny voalohan‟ny diantsika ihany, na ny farany, fa isaky ny indray mandingana eny an-dalana.

Hanontany angamba ianao hoe, ka hanao hoe :Ataoko ahoana no fitoetra eo amin‟I Kristy? Ataovy toy izay nandraisanareo Azy tamin‟ny voalohany ihany. …“Ny marina dia ho velon‟ny finoana.” (Heb. 10 : 3).”

Misy olona matahotra lalandava, ary misambotra fahoriana hatrany. … Matokia an‟I Jehovah. Ny andro rehetra dia samy misy fahoriana, fanahiana ary fahasahiranana ao aminy avy, hany ka

raha sendra tafahoana isika, dia vonona miaraka amin‟izay hiresaka ny fahasahiranana sy ny zava-manjo antsika. Be loatra no tafiditra ao ireo fahoriana nosambotsamborina tany ho any, be loatra ny tahotra anaranam-po eo, mavesatra loatra ny ahiahy voambara eo, ka tonga velon‟eritreritra ny olona izay mandre antsika, fa tsy manana Mpamonjy be indrafo sy feno fitiavana isika, Izay vonon-kihaino ny fangatahana rehetra ataontsika, ary manampy antsika lalandava amin‟ny androm-pahoriana rehetra.

DHK, T. 79, 81, 138. Fandalinana : (ifampizarana)

Inona no fantatrao mikasika ny sampan-kazo iray ?

Ahoana izany hoe mitoetra ho sampany ?

Inona no mety hampisaraka antsika amin‟ilay tena voaloboka raha io lahatsoratra io?

Inona ihany koa no mety antony hafa hatafasaraka antsika amin‟I Kristy? Rarivato :

Fandrika roa no tena mampatahotra indrindra : ny fahatsapana fa ambany (estime de soi complexe d‟infériorité) sy

ny avonavona, fahatokian-tena sahisahy (estime de soi complexe de supériorité).

Malahelo ny Tompo rehefa tsy afa-po amin‟ny : tenantsika isika, tarehy, bika, saina, fananana… (tandremo ny teny ataonao sy ny fihetsikao ary manomboka izao!)

Malahelo koa ny Tompo rehefa miantehitra amin‟ireo isika eo amin‟ny ady rehetra ataontsika na ara-nofo na ara-panahy !

Saintsaino :

“Vakio miadana ireto toko sy and. Ireto : Jaona 15 : 1-6 ; Matio 6 : 25-34;Rom. 8 : 31-39 ; I Jaona 2 : 1, 2. Ny asa ataon‟i Kristy ao amin‟ny Efitra Masina Indrindra no antoka ho antsika !

Tovana :

“Manokana ny tenanao ho an‟Andriamanitra raha vao maraina ; izany no ataovy voalohan-draharahanao indrindra. Aoka ny fivavahanao ho toy izao : “Raiso aho Tompo ô, ho Anao manontolo. Ny fikasako rehetra apetrako eo an-tongotrao. Ampiasao amin‟ny fanompoana Anao aho anio. Tomoera amiko, ary aoka ny asako rehetra hatao ao Aminao.”

Mametraka ny fiainanao isan‟andro isan‟andro ho eo am-pelatanan‟Andriamanitra isanao, raha manao izany ; ary amin‟izay dia ho voamboatra lalandava ho tonga tahaka ny fiainan‟I Kristy ny fiainanao.” DHK, T, 83.

KOFEHY VOLAMENA :

AZA MISAMBOTRA FAHORIANA FA MANANA NY AMPY AMIN’ FIFALIANA

NY TOMPO !

Page 23: Tanjona - zonemandrosoa.e-monsite.comzonemandrosoa.e-monsite.com/medias/files/hetsika... · “Izay Voky maharaka ny namany” “Vatsy sy Aina” Anjaran’ny DR na ny Loholona eo

FIZ.12 Hianareo no Zanako…

Fototra : “Nefa raha miantso an‟Andriamanitra hoe : Rainao ianao, dia manaiky ianao amin‟izany fa zanany, hotarihin‟ny

fahendreny, ary hankatò amin‟izay zavatra rehetra, datria fantatrao fa tsy miova ny fitiavany. Hanaiky izay rehtra kasainy ho an‟ny fiainanao ianao. Noho ny maha zanak‟Andriamanitra anao, dia hoheverinao ho isan‟ny zavatra ambony aminao indrindra ny voninahiny, ny fomba aman-toetrany, ny fianakaviany ary ny asany. Ho fifalianao ny hahatsiaro sy hanome voninahitra izany firaisanao amin‟ny Rainao izany sy ny fihavananao amin‟ny isan‟olona rehetra amin‟ny fianakaviany. Hahafaly anao ny asa na inona na inona, na dia izay toa ambany indrindra aza, mba hampisondrotra ny voninahiny, na mba hanasoa ireo iray razana aminao.

Sambatra 86.

Fandalinana : (ifampizarana)

Mitondra inona ho antsika ny mahazanak‟Andriamantra antsika ?

Ataoko ahoana no ahatsapako fa zanak‟Andriamanitra aho ?

Nahoana aho no matahotra sy manahy indraindray, inona no tokony ataoko rehefa misy olana toy izany aho?

Raha tsy avelany manahy aho nahoana aho no tsy maintsy miasa sy mianatra ary mandalo zavatra maro amin‟ny fiainana ?

Rarivato :

Ny mampaharary ny olona sasany dia ny fiezahany manova izay zavatra tsy azo ovana.

Efa niteny ny Tompo fa Azy ny fandaminana ny zavatra reehetra.

Efa nahita sekretera manahy mafy sy mitotototo mba hahita famatsiam-bola ho an‟ny orin‟asa ve ianao ? Tsy manahy ny amin‟izany izy satria efa misy mpanao izany asa izany. Aza misalovana ny asan‟Andriamanitra !

Ny asa sy ny zava-tsarotra rehetra dia natao hahatanteraka ilay teny hoe : “Andramo ka izahao fa tsara Jehovah, sambatra izay olona mialoka Aminy” ary hampianarana antsika ho tia ny mpiara-belona amintsika.

Saintsaino :

Vakio miadana : I Jaona 3 : 1 – 3. ; Jaona 14 : 1 – 3 ; Rom. 8 : 31 – 34. Vakio ihany koa : Matio 5 : 25 – 34.

Tovana :

“Ny fanatrehan‟ny Ray no manodidina an‟I Kristy ka tsy nisy navela hihatra taminy, afa-tsy izay navelan‟Ilay Fitiavana tsy manam-petra ihany, mba ho fitahiana ho an‟izao tontolo izao. Izany no loharanon‟ny fiononam-pony ary izany koa no antsika. Izay manana ny Fanahin‟I Kristy be dia be ao aminy no mitoetra ao amin‟I Kristy, ka ny loza izay nokasaina hahatra aminy dia mianjady amin‟ny Mpamonjy Izay manodidina azy amin‟ny fanatrehany. Na inona na inona tonga aminy dia avy amin‟I Kristy. Tsy ilainy akory ny hanohitra ny ratsy fa Kristy no fiarovana azy. Tsy misy zavatra mahazo mikasika azy, afa-tsy izay eken‟ny Tompo ; ary ny “zavatra rehetra” izay avelany hihatra dia “miara-miasa hahasoa izay tia an‟Andriamanitra.. (Rom. 8 : 28).”

Sambatra., 60.

KOFEHY VOLAMENA :

AZA MISALOVANA NY ASAN’NY RAINAO :

IZY NO HIADY FA IANAO HANGINA !

Page 24: Tanjona - zonemandrosoa.e-monsite.comzonemandrosoa.e-monsite.com/medias/files/hetsika... · “Izay Voky maharaka ny namany” “Vatsy sy Aina” Anjaran’ny DR na ny Loholona eo

MANANGANA FANEVA”

Jer. 51 : 12

Jao. 11 : 40

Nandrindra

Pastora RANALA Fidy Maranatha

~ 2010 ~

Famonjena sy Fiovam-penitra - Salut et Changement (de Comportement)

Page 25: Tanjona - zonemandrosoa.e-monsite.comzonemandrosoa.e-monsite.com/medias/files/hetsika... · “Izay Voky maharaka ny namany” “Vatsy sy Aina” Anjaran’ny DR na ny Loholona eo

Teny fanolorana :

Nandray penina indray aho satria nahoana ? Hamaky ity boky ity ianao : inona no antony ? Tafasaraka nandritra ny dimy ambin’ny roapolo taona ny fon’ilay zanaka vavy iray sy ny rainy. Dimy ambin’ny roapolo taona aty aoriana, novangian’i Jesosy ny fony sy ny tokantranony : nakatony ny fivarotana zava-pisotro mahamamo ary dia nomen’ny Tompo fiara sy zavatra hafa hidiram-bola izy mivady; fa ambonin’izany tafaverina indray ny fon’ny ray sy ny zanaka ! Tanora noheverina ho tsy mpanara-dalàna ity tovolahy iray (marginale). Fotoana maro izay, nifanerasera tamin’i Jesosy izy, niara-nandeha sy niara-nanao drafitr’asa izy sy i Jesosy … ary teo am-pelatanany no nanoloran’ ny Tompo ny Tananan’ i Maroharana izay tsy misy fiangonana mihitsy ho lasa Kristiana. Ary izy no nanaparitaka be indrindra ny ALITARA – BOKY VOALOHANY. Eny, dia mbola izy ihany no namporisika mafy ny famoahana ny ALITARA – BOKY FAHAROA ! Tanora maro; Ray aman-dreny maro, fianakaviana maro, eny, fiangonana maro mihitsy no nijoro vavolombelona ka nanohy namporisika ny hitohizan’ny ALITARA ! Eo am-pelatananao izy ankehitriny. Tari-dalana tsotra azo ampiharina eo amin’ny fiainanao. Tsotra tahaka azy koa ny fampiasana azy :

- Manokana fotoana hihaonanao manokana amin’i Jesosy – hifampiresaka aminy ianao. - Araho ny toro-marika voalazan’ny boky isaky ny dingana iray. - Mandraisa fanapahan-kevitra isaky ny fiafaran’ny toko iray. - Ampiharo izay voarainao

“Manangana faneva” ary “Mifankazara amin’ny Tsitoha ianao dia hiadana : izany no ahatongavan’ny soa aminao”

Pastora RANALA Maranatha

Famonjena sy Fiovam-penitra - Salut et Changement (de Comportement)

Page 26: Tanjona - zonemandrosoa.e-monsite.comzonemandrosoa.e-monsite.com/medias/files/hetsika... · “Izay Voky maharaka ny namany” “Vatsy sy Aina” Anjaran’ny DR na ny Loholona eo

FIZ. 1 : INONA IzAtO ItOKIANAO … ?

2 Mpanj. 18 : 19

Dingana 1 : Fototra “Nitovy ny fisedrana natao tamin‟I Matio teo amin‟ny harenany sy tamin‟i Andrea sy Petera teo amin‟ny fahantrany : fanoloran-tena mitovy no samy nataony. Tamin‟ny fotoana nisian‟ny fahombiazana ka feno hazandrano ny harato ay mafy indrindra ny faniriany hiverina amin‟ilay fiainana taloha, dia nangataka ny mpianatra handao ny zavatra rehetra ho amin‟ny asan‟ny filazantsara Jesosy. Toy izany koa no hisedrana ny fanahy tsirairay avy mba hahitana izay mahery indrindra ao aminy na ny faniriana ny tombotsoa ara-nofo na ny fiarahana amin‟i Kristy. Ilay Fitiavana Mandresy (IFM), 280. § 3. Fandalinana : (ifampizarana)

1. Inona no tena manan-danja aminao amin‟ny fiainana ? 2. Inona no toerana omenao ireto : Asa – Fianarana – vola – fianakaviana – Namana – fialam-boly. 3. Alaharo araka izay heverinao ho laharam-pahamena eo aminao izy ireo. Mifanakaloza hevitra. (tsy voatery hitovy ny

rehetra). 4. Mivavaka mafy ve ianao mba hanampian‟Andriamanitra anao amin‟ny “iray amin‟ireo ambony ireo” sa manao ny iray

amin‟ireo mafy ianao mba hanampianao an‟Andriamanitra ? Rarivato :

1. Mahaiza manavaka ny fahombiazana @ : HARENA – FAHEFANA – LAZA ! (Fahafam-panadinana). 2. Mahavidy fandriana ny vola fa tsy mahavidy torimaso. 3. Mahavidy fiara sy trano fa tsy mahavidy hasambarana. 4. Tsy voatery hira-dalana foana akory ny fahombiazana sy ny fahafaham-panadinana ! 5. Raha fitahiana avy amin‟Andriamanitra izy dia : nomena anao hahasambatra ny hafa ! Andeha isika hivavaka mba hampahazavain‟i Jesosy ny ny masontsika !

Saintsaino : 1. “Aza mihary harena ho anareo eto an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra manami-

trano sy mangalatra. ” Mat. 6 : 19 2. (Marka 4:19) “fa ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena ary ny filàna ny zavatra hafa miditra, dia

mangeja ny teny, ka tsy mamoa izy. “ 3. (Lioka 12:21) “Toy izany izay mihary harena ho an'ny tenany ihany, nefa tsy mba manan-karena ny

amin'Andriamanitra.” 4. (Ohabolana 30:8) “Ampanalaviro ahy ny zava-poana sy ny lainga; Aza manome ahy alahelo na harena; Fahano aho

amin'izay anjara-hanina sahaza ho ahy;” 5. (Ohabolana 15:27) “Izay fatra-pila harena dia mampidi-doza amin'ny ankohonany…”

6. (Jaona 12:43) “Fa tia ny voninahitra avy amin'ny olona izy ireo, fa tsy ny voninahitra avy amin'Andriamanitra.” Tovana :

Ny fahombiazana dia mihoatra lavitra noho ny harena. Tsy hoe manome antsika ny antom-pisiantsika fotsiny izy fa ambonin‟izany mampivoatra antsika sy ny toetrantsika ary ny momba antsika manontolo mihitsy.” Pasteur John Graz, Reussir sa vie, 19.

Mila fahombiazana isika ary tsy maintsy mitady azy isika satria antom-pivelomana izy. Izay indrindra no antony hitandremantsika tsy ho latsaka amin‟ny fahombiazana sandoka !

Ilay lehilahy Hendry dia Solomona dia voalaza fa : “tsy hitany intsony izay antony ilana ny fanolokoloana ny hatsaran-tarehy sy ny fahatanterahan-toetra rehefa nameno ny fony ny faniriana ny hisongona ny firenen-kafa teo amin‟ny firentirentin‟ny lapany. Raha teo am-pikatsahana izay hampitombo ny tombam-bidin‟ny voninahitry ny tenany teo imason‟izao tontolo izao izy, dia nivarotra kosa ny voninahitry ny tenany sy ny fahamarinany…. Noheveriny ho mariky ny fahalehibiazana ny rentirenty, ny fahafinaretana sy ireo hasoan‟izao tontolo izao… hoy izy : nanao asa lehibe ho ahy aho, nanao trano, nanao tanimboaloboka, nanao tanimboly sy saha … nanana mpanompo betsaka … nihary volafotsy sy volamena sy fanaka tsara fanaon‟ny mpanjaka … mbamin‟izay mahafinaritra ny zanak‟olombelona … ary nisandratra mihoatra noho izay talohako … hoy izy namarana : indreo zava-poana sy misambo-drivotra foana izany fa tsy nisy nahasoa taty ambanin‟ny masoandro.” Vakio ny Mpitoriteny 12 : 12.

Mpaminany sy Mpanjaka 40, 41, 60. :

FIZ. 2 :

NY FAHOMBIAZANA TIAVINA SY KATSAHO FA TSY NY LALANA MANKEO !

Alitara 2 / Inona izato itokianao … ? andro faha 1

Page 27: Tanjona - zonemandrosoa.e-monsite.comzonemandrosoa.e-monsite.com/medias/files/hetsika... · “Izay Voky maharaka ny namany” “Vatsy sy Aina” Anjaran’ny DR na ny Loholona eo

FIZ. 2

IZA NO ItOKIANAO … ? 2 Mpanj. 18 : 19

Dingana 1 : Fototra

“Mety hampisaraka ny mpisakaiza ny toe-javatra mitranga ; mety hisamboaravoara tsy misy fitsaharany ny ranomasina

mangeniheny manelanelana antsika amin‟izy ireny. Nefa tsy misy toe-javatra, na elanelan-tany, izay afaka hampisaraka

antsika amin‟ny Mpamonjy. Na aiza na aiza misy antsika dia eo an-kavanantsika Izy, manampy, mampahery, manohana ary

mamalifaly. Lehibe noho ny fitiavan'ny reny ny zanany ny fitiavan‟i Kristy ireo izay navotany. Tombotsoa ho antsika ny

mitoetra eo amin‟ny fitiavany ka miteny hoe : “Matoky Anao aho, satria efa nanome ny ainao ho ahy Ianao”.

Tanamasoandron‟ny Fahasalamana, 49. § 2.

Fandalinana : (ifampizarana)

5. Lazao izay antony tena ilanao namana ? 6. Tanisao ireo antony tena ifikiranao amin‟ i Jesosy ? 7. Trangan-javatra toy ny ahoana no tena ilanao mafy indrindra an‟i Jesosy ? 8. Diniho : tombotsoa ho an‟iza no tena tadiavinao amin‟izy rehetra ireo ?

Rarivato :

6. Ny fikatsahana ny tombotsoa be loatra ho an‟ny tenanao dia fampiakarana tsikelikely ny fitokisan-tena ! 7. Soraty ireo “lafy tsara” eo aminao (points forts,na fananana, fahaizana, tarehy, fahasalamana …) ary eo amin‟ny

ilany kosa ireo heverinao fa “lafy ratsy “(zavatra tsy hanananao). 8. Raha havelanao hameno ny fonao sy ny sainao ireo “lafy ratsy” ireo dia hanimba anao vetivety ! 9. Raha itokianao fatratra ireo “lafy tsara “eo aminao ireo dia hanondrotra anao izy saingy handrodana anao tampoka ! 10. Aza mitanisa lava izao izay ny lafiratsim-piainanao nefa aza manaiky voafandriky ny “lafy tsara” : mora miova ireo ! Andeha isika hivavaka isika hianarantsika hitoky amin‟i Jesosy irery !

Saintsaino :

7. “(Salamo 27:14) « Miandrasa an'i Jehovah ianao; matokia, ary aoka hahery ny fonao; eny, miandrasa an'i Jehovah. » 8. ((Salamo 37:5) « Ankino amin'i Jehovah ny lalanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka. » 9. ((Salamo 62:8) « Matokia Azy mandrakariva ianareo, ry olona; loary eo anatrehany ny fonareo; Andriamanitra no aro

ho antsika. » 10. ((Ohabolana 3:5- 6) « Matokia an'i Jehovah amin'ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin'ny fahalalanao; Maneke

Azy amin‟ny halehanao rhetra fa Izy handamina ny lalanao. Aza manao anao ho Hendry …» 11. ((Salamo 20:7) « Ny sasany mitoky amin'ny kalesy, ary ny sasany amin'ny soavaly; Fa raha izahay kosa, dia ny

anaran'i Jehovah Andriamanitray no hoderainay. » 12. (Salamo 33:17) « Ny soavaly tsy azo itokiana ho famonjena, ary tsy mahavonjy ny haben'ny heriny. »

Tovana :

“Tsy misy mahasakana ny fahombiazanao. Raharahanao sy Andriamanitra izany !” Pasteur John Graz, Reussir sa vie.

“Tsy ilainao ny ho any amin‟ny faran‟ny tany hitady fahendrena fa akaiky antsika Andriamanitra. Tsy ireo fahaiza-miasa anananao ankehitriny na mety mbola ho azonao no hanome anao ny fahombiazana, fa izay azon‟ny Tompo atao ho anao. Tokony ho kely mihitsy ny fitokisantsika izay azon‟ny olona atao , fa ny fitokiasantsika izay azon‟Andriamanitra atao ho an‟ny fanahy mino kosa, dia tokony ho be lavitra. … Afaka mandranitra ny saina Izy. Afaka manome fahaizana mifandray amin‟ny olona sy fahaizana manao zavatra Izy. … raiso ho toky ny tenin‟I Kristy … Alaviro ny miresaka zavatra mahakivy. Raha manao izany ianao dia ho maty antoka tokoa. Ny fijerinao izay miseho ety ivelany sy ny fitarainanao rehefa tonga ny fahasahiranana sy ny fahaterena, dia mampiseho mazava finoana marofy sy malemy. Mitenena ary miasà tahaka ny manam-pinoana tsy azo resena. Manan-karena amin‟ny tahiry Andriamanitra : Azy izao tontolo izao. Andrandrao eny an-danitra amim-pinoana ny fijerinao. Mijere azy izay manana ny fahazavana sy ny hery ary ny fahombiazana. Henoinareo ny Fanoharana, 119.

“(Romana 8: 31, 32) Inona ary no holazaintsika ny amin'izany zavatra izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika? Izay tsy niaro ny Zanani-lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy homeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra? “

:

NY FAHOMBIAZANA DIA IZAY AZON’ANDRIAMANITRA ATAO HO ANAO !

Alitara 2 / Iza no itokianao … ? andro faha 2

Page 28: Tanjona - zonemandrosoa.e-monsite.comzonemandrosoa.e-monsite.com/medias/files/hetsika... · “Izay Voky maharaka ny namany” “Vatsy sy Aina” Anjaran’ny DR na ny Loholona eo

FIZ. 3 :

Inona no tianao atao … ?

1 Mpanj. 19 : 9b

“Manao inona aty ianao ry Elia ?”

Dingana 1 : Fototra

“Ny Zanak‟olona tsy tonga mba ho tompoina fa mba hanompo. Tsy ho an‟ny tenany, fa ho an‟ny hafa no nivelomany sy

nisainany ary nivavahany”. Henoinareo ny Fnoharana 111. § 1.

Raha mifidy lehilahy sy vehivavy hanompo Azy Andriamantra, dia tsy mijery na manana harena eto amin‟izao tontolo izao

izy na tsia, na nahita fahombiazana, na mahay mandaha-teny na tsia. Manontany Izy hoe : “Moa ve manana fanetren-tena

ampy izy ka azoko ampianarina ny lalako ? Azoko atao eo am-bavany ve ny teniko ? Moa hampiseho Ahy ve izy ?”

Tanamasoandron‟ny fahasalamana, 22.

Fandalinana : (ifampizarana)

9. Inona no tena katsahinao fatratra : izay azon‟ny olona atao ho anao sa izay azonao atao ho an‟olona ? 10. Inona no azon‟olona hatao hoa anao ? ary mba inona kosa no azonao atao ho an‟ny olona hafa ? 11. Inona no azonao atao ao an-tokatranao ? ho an‟ny mpiara-mianatra, mpiara-miasa, mpiray fiangonana ? … 12. Inona no fitaovana azonao hangatahina amin‟Andriamantra ahafahanao manatanteraka izany ?

Rarivato :

Azon‟Andriamanitra omena Fahombiazana ianao rehefa :

11. Manana ny fanetren-tena ampy. 12. Azon‟andriamanitra ampiasaina zato isan-jato (tsy mijery afa-tsy izay tombotsoa ho an‟Andriamanitra). 13. Rehefa mikatsaka izay hahasoa ny manodidina anao (miainga ao an-trano ka hatramin‟ny fiaraha-monina rehetra). 14. Rehefa ny fahombiazanao dia miankina amin‟ny fahombiazan‟Andriamanitra sy ny famonjena ny olona very sy

sahirana. Andeha isika hivavaka hanovan‟I Jesosy ny fijerintsika momba ny fahombiazana !

Saintsaino :

13. “((Nomery 14:24) « Fa ny amin'i Kaleba mpanompoko kosa, satria fanahy hafa no tao aminy, ka tanteraka tamin'ny fanarahana Ahy izy, dia ho entiko ho any amin'ny tany izay nalehany izy, ary ny zanany handova izany. »

14. (Isaia 41:9) « Hianao izay efa notantanako avy tany amin'ny faran'ny tany ary nantsoiko avy tany an-tsisiny ka nilazako hœ: Mpanompoko ianao, Efa nofidiko ka tsy mba nariako: Aza matahotra ianao fa homba anao aho.»

15. (Isaia 49:3) « Ary hoy Izy tamiko: Mpanompoko Hianao, ry Isiraely ô. Izay entiko mampiseho ny voninahitro.” 16. (((Isaia 49:6) « Eny, hoy Izy: Mbola zavatra kely foana, raha tonga Mpanompoko hanandratra ny firenen'i Jakoba

Hianao sy hampody ny Isiraely sisa voaro; Fa homeko ho fanazavana ny jentilisa koa Hianao, mba ho famonjeko hatrany amin'ny faran'ny tany. »

Tovana :

“Ny anjelin‟ny voninahitra izay mahita mandrakariva ny tavan‟ny Ray any an-danitra, dia mahita fifaliana amin‟ny fanompoana ny madinika. Manatrika mandrakariva eo amin‟ny izay liana azy indrindra ny anjely, miaraka amin‟ireo izay miatrika ny ady mangotraka ataony amin‟ny tenany izy, ary izay hodidin‟ny toe-javatra mahakivy indrindra. Ireo fanahy malemy sy toran-kovitra izay manana toetra azo kianina no tena karakarainy manokana. Izay heverin‟ny fo tia tena fa fanompoana mampietry, dia fanompoana an‟ireo izay lavo sy ambany toetra amam-panahy amin‟ny lafiny rehetra, izany no asan‟ny anjely madio, tsy nanota avy amin‟ny lapa any ambony.”

“Mila mitandrina ny tanora amin‟izay asa fidiany atao : be ny asa ahitana : vola – laza – voninahitra ho an‟ny tena manokana sy ny ankohonanao fotsiny mandritra ny taona maro fa tsisy tombony ho an‟ny hafa.“

“ialao ny politika ekonomikan‟i SAtana zaiy heverin‟izao tontolo izao fa fahendrena eo amin‟ny fitantanana sy tsiambaratelon‟ny fahombiazana : “Mangorona tombony (profit) – Mihinana (consomatioon) – Manao tahiry (epergne) adinon‟ izy ireo fa :

Alitara 2 / Inona no tianao … ? andro faha 3

Page 29: Tanjona - zonemandrosoa.e-monsite.comzonemandrosoa.e-monsite.com/medias/files/hetsika... · “Izay Voky maharaka ny namany” “Vatsy sy Aina” Anjaran’ny DR na ny Loholona eo

“(Salamo 24:1) « [Fiomanana handray ny Mpanjakan'ny voninahitra]. An'i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy. Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy. »

Henoinareo ny Fanoharana, 145.

:

FIZ. 4 :

INONA AVY NO HANANANAO … ?

2 Mpanj. 4 : 2 / Eks. 4 : 2

“Inona moa iny eny an-tananao ?”

Dingana 1 : Fototra

“Ary nisy vehivavy anankiray, vadin‟ny zanaky ny mpaminany, nitaraina tamin‟ I Elisa hoe : Maty ny vadiko

mpanomponao ; ary hianao mahalala fa natahotra an‟I Jehovah ny mpanomponao ; nefa tonga ny tompon-trosa haka ny

zanako mirahalahy ho andevony. Dia hoy Elisa taminy : inona ary no hataoko ho anao ? Lazao amiko : inona avy no

anananao ao an-trano ? Fa hoy rahavehivavy : Ny ankizivavinao tsy manana na inona na inona ao an-trano afa tsy diloilo

iray tavoara monja.” 2 Mpanj. 4 : 1 – 2.

Fandalinana : (ifampizarana)

13. Tsy mba azom-pahoriana ve ny manompo an‟ Andriamanitra ? nahoana ? 14. Inona no fihetsika rehefa miharatsy ny fandehan-javatra rehetra ? 15. Mariho ny teny rehetra ilazan-dravehivavy ny tenany sy izay hananany ? toky sa fahadisoam-panantenana no hitanao

ao aminy ? Rarivato :

Azon‟Andriamanitra omena Fahombiazana ianao rehefa :

15. Tsy mahita vahaolana afa tsy eo aminy. 16. Mahatsapa ny hasarobidin‟ny zavatra madinika indrindra omeny anao. 17. Mahatsapa fa ny zavatra rehetra eo aminao (toetra, rahalahy, namana, saina, …) dia azon‟Andriamanitra havadika

ho fampisehoana ny voninahiny. 18. rehefa vonona handoa ny trosanao amin‟ny hafa. (trosa : fitiavana, filazantsara, fiantrana, …). Andeha isika hivavaka hanovan‟I Jesosy ny fijerintsika momba ny fahombiazana !

Saintsaino :

17. (Jaona 6:68) « Simona Petera namaly Azy hœ: Tompo ô, hankany amin'iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin'ny fiainana mandrakizay. »

18. ((1 Korintiana 12:4) « Zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana, nefa ny Fanahy dia iray ihany. » 19. (Romana 1:14) « Ananan'ny Grika sy ny firenena hafa rehetra, ny hendry sy ny tsy hendry, trosa aho; » 20. (Jaona 11:40) « Hoy Jesosy taminy: Tsy voalazako va fa raha hino ianao, dia ho hitanao ny

voninahitr'Andriamanitra? » Tovana :

“Manontany isika hoe : “inona no ho vitan‟ny herintsika kely sy ny fitaovana manify eo am-pelatanantsika hikarakakarana io fahasahiranana lehibe io ? Moa ve isika tsy hiandry izay izay olona havanana kokoa hitarika ny asa, na hiandry sampan handray izany an-tanana ?” Hoy I Kristy : “omeonareo hanina izy.” Ampiasao ny fitaovana, ny fotoana, ny fahaizana anananao. Ento eo amin‟I Jesosy ny mofo hordea. Na dia mety tsy ho ampy hahavoky olona arivo aza izay anananao, dia mety ho ampy hahavoky olona iray izany. Eo

an-tanan‟I Kristy dia mety mahavoky olona olona betsaka izany. Tzahaka ny mpianatra omeo izay hanananao. Kristy

no hampitombo ny fanomezana.

NY FAHOMBIAZANA DIA MANOMBOKA AMIN’ NY ASA MADINIKA ATAONAO HO AN’NY HAFA !

Alitara 2 / Inona avy no hanananao … ? andro faha 4

Page 30: Tanjona - zonemandrosoa.e-monsite.comzonemandrosoa.e-monsite.com/medias/files/hetsika... · “Izay Voky maharaka ny namany” “Vatsy sy Aina” Anjaran’ny DR na ny Loholona eo

“ Ary Andriamantra mahay mampitombo ny fahasoavana rehetra aminareo mba hanananareo ny onony rehetra mandrakariva amin‟ny zavatra rehetra, ka hitombo amin‟ny asa tsara rehetra …Ary Izay manome voa ho an‟ny mpamafy sy mofo hohanina, dia manome sy hahabe ny voa afafinareo ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo, dia hanan-karena amin‟ny zavatra rehetra ianareo ka handroso amin‟ny hitsim-po izay mahatonga ny fisaoranay an‟Andriamanitra.“ 2 Kor. 9 : 8- 11

“Fa ny fanaovana izany fanompoam-pivavahana (fiantrana) izany dia tsy mahafaka ny alahelon‟ny olona masina ihany fa mahabe ny fisaoran‟ny maro an‟Andriamanitra koa … noho ny fahazotoana amin‟ny fiantrana ho azy sy ho an‟ny olona rehetra ; …a ary manina anareo izy noho ny haben‟ny fahasoavan‟Andriamanitra aminareo. Isaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany tsy azo tononina.” 2 Kor. 9 : 12 – 15.

Henoinareo ny Fanoharana, 145.

:

FIZ. 5 :

IZA AVY NO IFANDRAISANAO … ?

Lio. 10 : 29.

“iza ary no namako ?”

Dingana 1 : Fototra

“Ary hoy izy : andeha mindram-bilany amin‟ny namanao rehetra manodidina, dia vilany tsy misy zavatra … “ 2 Mpanj. 4 :

1 – 2.

Fandalinana : (ifampizarana)

16. Nahoana araka ny fijerinao no vilany tsisy zavatra no nasaina nindramina ? 17. Inona no lanja omenao ny olona tsiraray mifanena sy mifanerasera aminao ? 18. Misy karazan‟olona mora ifandraisanao ve ary misy ny sarotra kokoa ? 19. Misy karazan‟olona sahirana mihitsy vao mahazo tsiky na teny kely avy aminao ve ary misy kosa dia mahazo mora

foana ny tarehinao miramirana ? iza avy ireo karazana ireo ary amin‟ny fotoana manao ahoana ? Rarivato :

Mora aminao ny hahita fahombiazana rehefa :

19. Mitovy avokoa ny tombambidin‟ny olona rehetra aminao : sarobidy izy ireo. 20. Misy tsiky kely mandrakariva amin‟ny takolakao ! (mijere fitaratra : tsara kokoa ianao rehefa mitsiky ô !) 21. Tsapanao fa ny teny mora dia mampianina ny fahatezerana mafy ! Aza mikiakiaka, aza mandrahona, lazao miadana

sy mazava ny ao am-ponao nefa feno fanajana : tsy tiako ny …, malahelo aho noho izao nataonao izao ! 22. Tsapanao fa nyy fifandraisana (na amin‟ Andriamanitra na amin‟ny olona) rehefa simba izany no lalan-tokana

ahitan‟ny satana fahombiazana hisakanana ny fahombiazanao ! Andeha isika hivavaka hanovan‟I Jesosy ny fijerintsika momba ny fahombiazana !

Saintsaino :

21. (Mpitoriteny 4 : 9 – 12) « Tsara ny roa noho ny iray ; fa misy valiny tsara ny fisasarany. Raha misy lavo izy dia harenin‟ny namany ; fa mahantra ny lavo izay tsy manana namana hanarina azy. Ary koa, raha miara-mandry ny roa, dia mafana izy fa atao ahoana ny hampahafana ny irery ? raha misy maharesy ny irery aza, ny roa tsy ho leony akory ; ary ny mahazaka telo olana tsy mora tapahina»

22. (Eksodosy 23:5) « Raha hitanao ny borikin'izay mankahala anao mihonaka ao ambanin'ny entany, dia aza malaina hamonjy azy ianao, fa manampia ny namanao hamaha azy tokoa. ».

23. (Levitikosy 19:17) « Aza mankahala ny rahalahinao amin'ny fonao; mananara dia mananara ny namanao, mba tsy hahazoanao heloka noho ny aminy. »

24. ((Levitikosy 19:18) « Aza mamaly ratsy na manao lolompo amin'izay iray firenena aminao: fa tiava ny namanao tahaka ny tenanao: Izaho no Jehovah. »

25. (Levitikosy 25:14) « Ary raha mivarotra na mividy zavatra amin'ny namanao ianao, aza misy manao sarotra: »

NY FAHOMBIAZANA DIA MIAINGA AMIN’NY FAMPIASANAO IZAY EO AMINAO !

Alitara 2 / Iza no hifandraisanao … ? 5

Page 31: Tanjona - zonemandrosoa.e-monsite.comzonemandrosoa.e-monsite.com/medias/files/hetsika... · “Izay Voky maharaka ny namany” “Vatsy sy Aina” Anjaran’ny DR na ny Loholona eo

26. (Deotoronomia 5:18) « Ary aza mitsiriritra ny vadin'ny namanao; ary aza mitsiriritra ny tranon'ny namanao, na ny taniny, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an'ny namanao akory aza. »

27. (Deotoronomia 24:10) « Raha mampisambo-javatra ny namanao ianao, dia aza miditra ao an-tranony handray ny antoka aminy. »

28. (Ohabolana 25:9) « Miadia ihany ny adinao amin'ny namanao, Kanefa aza aseho izay tsy tian'ny sasany holazaina, » 29. (Ohabolana 25:17) « Aza miditra matetika ao an-tranon'ny namanao, Fandrao tofoka anao izy, ka ho halany ianao. »

Tovana :

Tena nety tokoa ny nampitahan‟I Paoly ny fiangonana tamin‟ ny vatantenan‟ny olona, mba hampisehoany ny fifandraisana akaiky sy ny firindrana tokony hisy eo amin‟ny samy mambra …na dia mendrika toy inona azan y finoan‟ny kristiana iray raha tsy miboiboika fitiavana an‟Andriamanitra ny fony, ary tia ny namany, dia tsy tena mpianatr‟ I Kristy izy.” Vavolombelona Mahery, 277, 278.

(1 Korintiana 13:1-13) « Na dia miteny amin'ny fitenin'ny olona sy ny anjely aza aho, kanefa tsy manana fitiavana, dia tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana aho. Ary na dia manana faminaniana aza aho ka mahalala ny zava-miafina rehetra sady manana ny fahalalana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana, dia tsinontsinona aho. Ary na dia omeko hohanin'ny malahelo aza ny fananako rehetra, ary na dia atolotro hodorana aza ny tenako, kanefa tsy manana fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany. Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy miebœbo, tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otri-po, tsy mifaly amin'ny tsi-fahamarinana, fa miara-mifaly amin'ny fahamarinana kosa, mandefitra* [* Na: manarona] ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra. Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitœtra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana: fa ny fitiavana no lehibe amin'ireo. »

:

FIZ. 6 :

INONA NO TANJONAO … ?

Estera 5 : 3.

“inona no tadiavinao ?”

Dingana 1 : Fototra

“Tsy fantatrareo va fa izay mihazakazaka eo amin'ny tany fihazakazahana dia samy mihazakazaka avokoa, nefa ny iray ihany

no mahazo ny loka? Mihazakazaha toy izany mba hahazoanareo. Ary ny mpihazakazaka rehetra dia mahonon-tena amin'ny

zavatra rehetra. Kanefa ireny dia mitady satro-boninahitra mety ho lò ihany, fa isika kosa ny tsy mety ho lò. Raha izaho ary,

dia mihazakazaka, nefa tsy toy ny manao kitoatoa; ary mamely totohondry aho, nefa tsy toy ny mamely ny rivotra; fa asiako

mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin'ny sasany aza aho, dia holavina kosa ny

tenako. »(1 Korintiana 9:24-27)

Fandalinana : (ifampizarana)

20. Inona avy ireo tanjona napetrak‟I Paoly ? 21. Oharin‟ny Paoly amin‟ninona ny fiainany ? 22. Inona no mahasamihafa ny hazakazaka ataon‟I Paoly amin‟ny an‟ny hafa ? 23. Inona no hazakazaka ataonao amin‟ny fiainana ? afaka mitanisa roa ve ianao araka ny laharam-pahamena ?

Rarivato :

Mora aminao ny hahita fahombiazana rehefa :

23. Mazava tsara ny sary tianao ho hita momba ny fiananao rehefa afaka 20, 15, 10, 5, 2 taona aorian‟izao. 24. Mazava tsara ny tanjonao ary hainao ny manavaka ny lalana tiana aleha ny lalana ho eo amin‟ny tanjona ! 25. Resy lahatra tanteraka ianao fa io ny plan‟Andriamanitra ho anao ! (mila vavaka mafana, aza terena hanaraka anao

sy izay tianao Jehovah) 26. Manapa-kevitra hentitra ianao fa tsy maintsy tratranao io tanjona io na dia toa mitaredretra aza indraindray !

NY FAHOMBIAZANA DIA MIAFINA AO AMIN’NY FAIZA-MITIA !

Alitara 2 / Inona no tanjonao … ? 6

Page 32: Tanjona - zonemandrosoa.e-monsite.comzonemandrosoa.e-monsite.com/medias/files/hetsika... · “Izay Voky maharaka ny namany” “Vatsy sy Aina” Anjaran’ny DR na ny Loholona eo

Andeha isika hivavaka ho amin‟ny Plana tian‟I Jesosy ho soritana ho antsika !

Saintsaino :

30. Michel Chang no anarany. Vao 12 taona monja dia efa fantatra teo amin‟ny tontolon‟ny “tenis” ny lazany. Ary raha mbola 15 taona monja izy dia efa nilahatra in-droa tamin‟ireo tompon-daka latsaka ny 18 taona tao Amerika. Ary dia nahatratra ny tanjona ambony indrindrindra izy teo amin‟ny faha 17 taonany raha nibata ny amboaran‟ny “Open de France” tao amin‟ny Rolland Garros. Taona 1989. Izy no Amerikana voalohany ary voasokajy ho anisan‟ireo 5 raitra indrindra maneran-tany nanomboka teo. Teo anatrehan‟ireo mpijery fahita lavitra maneran-tany no nanaovany fanambarana taorian‟ny fandreseny : “Matoky an‟I Kristy aho ! isan‟andro : mivavaka aho, mamky Baiboly ! Misaotra ny Tompo Kristy Jesosy aho fa raha tsy izy aho dia tsinontsinona ! (sans lui je ne suis rien !).” Toy izao no niatombohany : 15 taona izy tamin‟izay. Taona izay nahabe fanontaniana azy momba ny fiainana ka antony nanomezana azy ilay Boky izay nampiova ny fianany. Toy ny mahazatra … noraisiny ny Baiboly izay nomen‟ny Dadabeny azy ka nanapa-kevitra hitady izay ho lazain‟io Boky io aminy izy. Nahita ireo toromarika rehetra momba ny fifandraisana amim-pitiavana amin‟ny olona izy izay tiany hitondrana ny fiainany. Nanomboka nampihatra ireo torolalana tsotra momba izany izy ary nizara tamin‟ny olona ny fitiavan‟I Kristy … lasa mpinamana izy sy Jesosy ary nifampitondra ho eo amin‟ny fandresena ! Ny toko sy andininy tiany indrindra : Filipiana 1 : 6.

Tovana :

(Filipiana 1:6) « ary matoky indrindra aho fa Izay nanomboka asa tsara ao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-pihavin'ny andron'i Jesosy Kristy; »

Asehon‟I Paoly ny fahasamihafana misy eo amin‟ny loka mety lo natolotra ny mpandresy tamin‟ny kilalao fahiny, sy ny lokam-boninahitra mandrakizay atolotra ny Kristiana mandresy hatramin‟ny farany. … Ary isika kosa, miady mba hahazoana loka tsara lavitra, dia ny lokan‟ny fiainana mandrakizay. Koa noho izany dia tokony ho vonona hiatrika ny fahafoizan-tena sy fandravan-tena lehibe indrindra isika, mba hahazo fandresena amin‟io tolona io. » Vavolombelona Mahery, 273.

:

FIZ. 7 :

INONA NO LALANA IZORANAO … ?

Dingana 1 : Fototra

24. “Tsy toy ny efa nahazo sahady aho, na efa tanteraka sahady; fa miezaka aho hihazona izay nihazonan'i Kristy Jesosy ahy. Ry rahalahy, tsy mbola ataoko* fa efa nahazo ny tenako; fa zavatra iray loha no ataoko; manadino izay zavatra ao aoriana ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha, [* Na: (tsy nataoko)] eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan'ny fiantsoan'Andriamanitra any ambony* ao amin'i Kristy Jesosy. [* Na: ho any ambony] Kanefa aoka ho amin'ilay efa azontsika sahady no mbola hizorantsika.” Filipiana 3:12-16.

Fandalinana : (ifampizarana)

25. Inona no heverin‟I Paoly fa tsara atao hanatrarana ny tanjona ? 26. Azonao lazaina ve izay fahazoanao ireo dingana ireo ? 27. Mizotra ary mifanaraka amin‟ny tanjonao ve izay ataonao sy izay itondranao ny fiainanao ankehitriny ? 28. Inona avy ireo zavatra mila hajanonao na hafoinao (na dia mety hankarary aza) satria tsy mifanaraka amin‟ny

tanjona sy fitsipipiainana (principe) tianao harahina ? Rarivato :

Mora aminao ny hahita fahombiazana rehefa :

27. Rehefa saintsaininao isan‟andro ny lalana ahatongavana eo amin‟ny tanjona.. 28. Rehefa mampifandrindra ny fanapahan-kevitrao isan‟andro sy izay ataonao hifanaraka amin‟ny tanjonao ianao ! 29. Rehefa vitanao ny manao jery tombana tsy miato (systematique) hoe aiza ho aiza @ tanjona ianao izao. 30. Rehefa sahy ianao hanala sy hanadino ary hamoy izay rehetra misarika anao hanalavitra ny tanjona na ohatrinona na

ohatrinona no vidin‟izany ! Andeha isika hivavaka ho amin‟ny Plana tian‟I Jesosy ho soritana ho antsika !

Saintsaino :

NY FAHOMBIAZANAO DIA IZAY TANJONA APETRAKAO !

Alitara 2 / Inona no lalana izoranao … ? andro faha 7

Page 33: Tanjona - zonemandrosoa.e-monsite.comzonemandrosoa.e-monsite.com/medias/files/hetsika... · “Izay Voky maharaka ny namany” “Vatsy sy Aina” Anjaran’ny DR na ny Loholona eo

31. Hanavotra ny fianakaviany no nanokanany ny fiainany. Nandritra ny taona maro no efa nisaintsainany an‟izany. Fotoana maro izay, nanapa-kevitra ny hanatanteraka izany izy ! hanondrotra, sy hamelona ary hanavotra ! sarotra ilay dingana satria teny an-dalana dia namana maro no nandao azy. Manam-pahaizana maro izay nanolotra ho avy mamiratra ho azy ary vonona hanampy azy no nolaviny ka tonga fahavalony (namadika azy mihitsy ny sasany !). fa ny nampalahelo azy dia ny fiaretany ireo ratsy sy famadihana nataon‟ireo havany izay noheviriny ho asondrotra sy havotana ! ary izany FITIAVANA sy Tanjona ambony izany dia fantany fa hiafara indray androany tsy amin‟ny fahantrany ihany fa amin‟ny fahafatesany mihitsy. Nikiry nanohy ny diany izy hanatratra ny tanjony ka nampiasa ny herim-pinoany rehetra mandra-pahatongan‟ilay zava-doza dia ilay vidiny (prix) tsy amintsy efainy dia ny ainy ! Ireo havany ihany no nampiasain‟ny olona fahavalony hamono azy ! ninoany anefa fa io fahoriana sy fahafatesana io no fiantomboan‟ny fandreseny… izy no JESOSY izay nandray anao ho Havany !

Tovana :

(Filipiana 2:5,6) « Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin'i Kristy Jesosy koa, Izay, na dia nanana ny endrik'Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin'Andriamanitra, »

(Filipiana 2:7,8) « fa nofoanany ny tenany tamin'ny nakany ny endriky ny mpanompo sy nahatongavany ho manam-pitoviana amin'ny olona; ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana. »

(Filipiana 2:9-11) « Koa izany no nanandratan'Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra, mba ho amin'ny anaran'i Jesosy no handohalehan'ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny ety an-tany, na ny any ambanin'ny tany, sy haneken'ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr'Andriamanitra Ray. »

(Filipiana 2:12) « Koa amin'izany, ry malalako, tahaka ny nanekenareo mandrakariva, tsy fony teo aminareo ihany aho, fa ankehitriny dia bebe kokoa aza raha tsy eo aho, miasà amin'ny tahotra ny ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo.

(Filipiana 2:13) « Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony. »

(Filipiana 2:14) « Ataovy ny zavatra rehetra amin'ny tsi-fimonomononana sy ny tsi-fisalasalana, »

:

FIZ. 8 :

INONA NO FANDRIKA … ?

Dingana 1 : Fototra

“Ny kapoaka sarotra entina indrindra dia tsy ny kapoaka foana tsy akory, fa ny kapoaka izay feno safononoka. Io no mila

fandanjalanjana am-pitandremana fatratra. Ny alahelo sy ny loza dia mitondra fahadisoam-panatenana sy fahoriana ; nefa ny

fanambinana no mampidi-doza indrindra amin‟ny ara-panahy. … Matetika dia angatahina ho an‟ireo izay mijaly amin‟ny

aretina na ny fahoriana ny fivavahana ; nefa tena ilaina indrindra ny fivavahantsika ho an‟ny olona nomena fahombiazana sy

fahefana.” Tanamasoandron‟ny Fahasalama, 173.

Fandalinana : (ifampizarana)

29. Inona no lazainy fa mampidi-doza indrindra ? hazavao ! Afaka mitanisa ohatra ve ianao ? 30. Amin‟ny fotoana inona no lazainy fa tena ilanao vavaka indrindra ? Nahoana ? manomeza ohatra ? 31. Lazao izay heverinao fa azonao atao hialana amin‟io loza sy fandrika io.

Rarivato :

Eo an-dalana ho amin‟ny fahombiazana ianao izao :

31. Soraty izay fihetseham-ponao rehefa mahazo na very : toerana, na fananana, na laza, na voninahitra ianao.. 32. Mianara mifehy izay eo am-pelatananao raha tsy izany dia izy no hifehy anao ! 33. Ady ny miakatra eo amin‟ny tanjona (sommet), fa tolona hafa koa ny mitoetra tsy hianjera. 34. Saino ny mpananika tendrombohitra : “rehefa tody eo antapony dia tsy misy azo atao intsony afa tsy ny midina !”

NY FAHOMBIAZANAO DIA LALANA IZORANA ISAN’ANDRO !

Alitara 2 / Inona no fandrika … ? andro faha 8

Page 34: Tanjona - zonemandrosoa.e-monsite.comzonemandrosoa.e-monsite.com/medias/files/hetsika... · “Izay Voky maharaka ny namany” “Vatsy sy Aina” Anjaran’ny DR na ny Loholona eo

35. Ataovy lisitra araka ny laharany omeny azy ireto : toetra tsara, fianakaviana, fihavanana (namana), toerana, fananana, laza, voninahitra, fahasalamana.

Saintsaino :

1. (Isaia 26:3) « Ny saina tsy miovaova dia harovanao ao amin'ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy. » 2. (1 Timoty 6:17) « Anaro ny mpanankarena amin'izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona, na hatoky ny

harena miovaova*, fa Andriamanitra, Izay manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika, [* Gr. fiovavovan'ny harena] »

3. Ny Mahaizy azy (pérsonalité) ny olona iray no miantoka ny fahombiazany na ny fianjerany. 4. Ny olona nahomby hatramin‟ny farany dia izay tsy nivarotra na nanakalo ny personalité-ny tamin‟ny fananana,

toerana, laza, voninahitra.

Tovana :

(Filipiana 1:6) « ary matoky indrindra aho fa Izay nanomboka asa tsara ao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-pihavin'ny andron'i Jesosy Kristy; »

(Efesiana 3:20) « Ary ho an'izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika, »

(Filipiana 2:13) « Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony. »

:

FIZ. 9 :

IZA MOA IANAO … ?

Dingana 1 : Fototra

« Jehovah ô, efa nandinika ahy Hianao ka mahalala ahy. Hianao no mahalala ny fipetrako sy ny fitsangako Sady mahafantatra

ny hevitro eny lavitra eny. Voadinikao ny tœtro, na mandeha aho, na mandry; Ary fantatrao tsara ny alehako rehetra. Fa, indro,

tsy misy teny tsy fantatrao eo amin'ny lelako, Jehovah ô. Manodidina ahy eo ivohoko sy eo anatrehako Hianao, Ary apetrakao

amiko ny tananao. Fahalalana mahagaga ahy loatra izany, Eny, avo loatra ka tsy tratro. Aiza no hialako amin'ny Fanahinao?

Aiza no handosirako tsy ho eo anatrehanao? …Fa Hianao no nahary ny voako; Namolavola ahy tao an-kibon-dreniko

Hianao. Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy; Mahagaga ny asanao; Ary fantatry ny

fanahiko marimarina izany. Ny tenako tsy niafina taminao, Fony natao tao amin'ny miafina aho, Ka noforoninao hisy endrika

tany ambanin'ny tany. Ny masonao efa nahita ahy na dia fony tsy mbola ary fady aza aho; Voasoratra teo amin'ny bokinao

avokoa ny andro voatendry, Fony tsy mbola nisy na dia iray akory aza. Endrey, zava-tsoa amiko indrindra ny hevitrao,

Andriamanitra ô! Akory ny hamaron'ny isany! Raha hanisa azy aho, dia maro isa lavitra noho ny fasika izy; Raha mifoha aho,

dia mbola aminao ihany. Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko; Izahao tœtra aho, ary fantaro ny eritreritro; Ary

izahao na misy lalana mampahory ato anatiko, Dia tariho amin'ny lalana mandrakizay aho. (Salamo 139:1-24)

Fandalinana : (ifampizarana)

32. Inona no lalana mampahory lazainy ? hazavao ! Afaka mitanisa ohatra ve ianao ? 33. Inona no lalana mampahory tena ratsy indrindra araka ny hevitrao ? Nahoana ? 34. Tadido ny fotoana nadresenao lalana mampahory iray ? Tamin‟ny fomba ahoana ? Inona no tsapanao ? 35. Inona no fomba tsara indrindra hizarana amin‟ny hafa io fomba fandresena io ?

Rarivato :

Eo an-dalana ho amin‟ny fahombiazana ianao izao :

36. Mitovy ny namoronana antsika : sarobidy eo amin‟I Jesosy izaho sy ianao. 37. Mitovy ny namonjena antsika : ny ràn‟I Kristy no miantoka ny tombambidiko sy ny anao ! 38. Mitovy ny toerantsika : samy nantsoiny hoe : “zanak‟Andriamanitra izaho sy ianao.”

NY FAHOMBIAZANAO DIA HAMAFISIN’NY FANAHY MIASA AMINAO !

Alitara 2 / Iza moa ianao … ? andro faha 9

Page 35: Tanjona - zonemandrosoa.e-monsite.comzonemandrosoa.e-monsite.com/medias/files/hetsika... · “Izay Voky maharaka ny namany” “Vatsy sy Aina” Anjaran’ny DR na ny Loholona eo

39. Mitovy ny hery sy antoka omena antsika : Ny Fanahy Masina ao anaty sy Jesosy ao amin‟ny Efitra Masina Indrindra 40. Mitovy ny andrasantsika : “Ny Fiavian‟I Jesosy fanindroany eny amin‟ny rahon‟ny lanitra”. 41. Mitovy ny iraka omena antsika : “hanambara izany amin‟ny olona rehetra !”

Saintsaino :

5. Mbola misy toeran‟ny : fiaviana, volon-koditra, lahy sy vavy ve mibahana ao aminao, ao amin‟ny fiangonanao, …? 6. Inona no tena maha ratsy ny fanavakavahana sy ny fanilikilihana izay tsy mitovy fijery ? 7. Mitovy ve ny fanavakavahana sy ny tsy fifanajana ? asio ohatra raha mety ? 8. Azo sokajiana ho fanavakavahana sa fanilikilihana sa tsy fanajana ny fihetsika hisintonana vehivavy (tsy vadinao

vita soratra ara-dalàna) mba hanao firaisana ara-nofo ? (na dia tsisy fanerena aza ?) 9. Azo sokajiana ho tsy fanajana ny vatana sy ny tombambidin‟ny tena (izay novidin‟ny ràn‟I Kristy) ve ny fanekena

ireny fitaoman-dratsy ireny ? 10. Ny firaisana ara-nofo alohan‟ny fanambadiana ve miteraka fironana amin‟ny fahazaran-dratsy hafa (sigara, paraky,

sns, …) sa ny mifamadika amin‟izany ? inona no azo havalinao ny tanora izay mihevitra fa rehefa tena manao ireny fahazaran-dratsy ireny izy dia mahatsiaro tena ho manana tombambidy ambony ? ( sigara, lamaody, firaisana, …)

11. Iza moa ianao ? inona amin‟ireto no afaka hanome ny valin‟izany : sigara – toaka – rongony – paraky – firaisana ara-nofo – rojo volamena – akanjo lamaody – diplaoma – vola sy harena (fiara sy trano, sns) – namana – asa ?

12. Misy vahiny nifindra eo amin‟ny fiangonanao - manoro hevitra ny fikambanana izy : inona no antony hanekenao na handavanao ny tolo-keviny : noho izy vahiny ve sa noho ilay hevitra naroso mihitsy ? (diniho tsara ny toe-ponao !)

Tovana :

(Filipiana 1:6) « ary matoky indrindra aho fa Izay nanomboka asa tsara ao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-pihavin'ny andron'i Jesosy Kristy; »

(Genesisy 1:26) « Ary Andriamanitra nanao hœ: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika ; ary aoka izy hanjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany. »

(Genesisy 1:27) « Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik'Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy. »

:

NY FAHOMBIAZANAO DIA NY HOE : IZA MOA IANAO ?