30
Marc Allovon Imprimé en France Bibles et Publications Chrétiennes 30, rue Châteauvert BP 335 F-26003 Valence cedex Ny herin' Andriamanitra sy ireo asa mahagaga

Ny herin' Andriamanitra sy ireo asa mahagaga...Fa ny fombany tsy hita dia ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra Azy dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa

  • Upload
    others

  • View
    6

  • Download
    0

Embed Size (px)

Citation preview

Page 1: Ny herin' Andriamanitra sy ireo asa mahagaga...Fa ny fombany tsy hita dia ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra Azy dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa

Marc Allovon

Imprimé en France

Bibles et Publications Chrétiennes30, rue Châteauvert BP 335 F-26003 Valence cedex

Ny herin'Andriamanitra sy ireo asa mahagaga

Page 2: Ny herin' Andriamanitra sy ireo asa mahagaga...Fa ny fombany tsy hita dia ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra Azy dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa

Fizahan-Takila >

ISBN : 978-2-87907-383-5

La puissance de Dieu et les miraclesCouverture, photo : Paul Jacquin

Page 3: Ny herin' Andriamanitra sy ireo asa mahagaga...Fa ny fombany tsy hita dia ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra Azy dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa

1. Avy amin’ny fiandohanaka hatramin’i Kristy 5

2. Ny fahatongavan’nyZanak’Andriamanitra 8

Inona no tanjon’ireny asa mahagaganataon’Ilay Zanak’Andriamanitra ireny ? 9

3. Ireo asa mahagaga taorian’nyfitsanganan’i Kristy 13

4. Ny amin’ireo fanomezam-pahasoavana mahagaga 17

5. Ny vanim-potoana ankehitriny 20

6. Fampitandremana 26

3

Page 4: Ny herin' Andriamanitra sy ireo asa mahagaga...Fa ny fombany tsy hita dia ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra Azy dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa
Page 5: Ny herin' Andriamanitra sy ireo asa mahagaga...Fa ny fombany tsy hita dia ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra Azy dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa

5

11.. Genesisy 1.Ú •• 22.. Romana 1. Ú∞, ‡†

1. Avy amin’ny fiandohana ka hatramin’iKristy

«Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary nylanitra sy ny tany »1.«Satria izay fantatra ny amin’Andriamanitradia miseho… Fa ny fombany tsy hita dia nyheriny mandrakizay sy ny maha AndriamanitraAzy dia miseho hatramin’ny nanaovana izaotontolo izao, fa fantatra amin’ny zavatranataony ; ka dia tsy manan-kalahatra ireo »2.

Ny asa mahagaga nataony tamin’ny fahariana nonisehoan’ny herin’Andriamanitra tsy hita fetravoalohany indrindra. Ny famaritana ny anjaraandraikitr’ireo olombelona tsy te hanaiky nyMpahary azy, no vokatra nentin’izany fisehoan’nyherin’Andriamanitra tao amin’ny fahariana izany.Mifanohitra amin’izany kosa, nino an’Andriamanitra ireo olon’ny finoana, toa an-dry iAbrahama fahiny, na tsy nisy fahagagana aza.Tonga vavolombelona nanambara Azy, irenyolon’ny finoana ireny. Aoka isika hanahaka nyfinoan’ireny vavolombelona ireny. Meteza horesy lahatry ny maha Andriamanitra maheryan’Andriamanitra. Itokio tanteraka fa : « izay

Page 6: Ny herin' Andriamanitra sy ireo asa mahagaga...Fa ny fombany tsy hita dia ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra Azy dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa

6

33.. Romana 4. ‡Ú •• 44.. Joba 42. Ú-Ì •• 55.. Deoteronomia 6. ‡‡

nolazainy dia hainy hatao koa »3. Tsy hahayhipetraka amin’ny toerana misy azy manoloanaan’Andriamanitra mihitsy ny olombelona, rahatsy manana izany fandresen-dahatra izany. Nyfahatsapana fotsiny an’io herin’Andriamanitra iodia efa ampy hanekentsika ny maha tsinon -tsinona antsika, ary hitarika antsika ho amin’nyfibebahana, tahaka izay nataon’i Joba4.

Niditra an-tsehatra Andriamanitra, tatyaoriana, raha nitantana ny vahoaka Isiraelynivoaka an’i Egypta Izy. « Famantarana syfahagagana lehibe sady mandoza tamin’nyEgyptiana »5 no nampiasainy tamin’izany. Izanyno nataony hanaporofoana fa Izy tokoa nonaniraka an’i Mosesy ho amin’izao asa izao. Izanyno nosafidiny ampiasaina handresen-dahatraan’i Farao tsy hiziriziry amin’ny fandavanaan’Andriamanitra. Niziriziry hatramin’ny faranyanefa i Farao, ka izany no nahatonga nyfahalevonany, dia izy sy ny miaramilany.

Niseho indray i Jehovah, rehefa izany, kananolotra an’i Mosesy ny lalàna, nomban’nyfanehoany ny voninahiny tamin’ny fombamampihorohoro, tao an-tendrombotra Sinay.Niara-dalana tamin’izany koa ireo asa mahagagamarobe nataony tany an’efitra. Izany no tsy

Page 7: Ny herin' Andriamanitra sy ireo asa mahagaga...Fa ny fombany tsy hita dia ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra Azy dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa

7

66.. Nomery 14. ÚÚ •• 77.. 1 Mpanjaka 18. Ò∞ •• 88.. Ezra 3. ‡, sns

maintsy hilazany hoe : « Mandra-pahoviana nohamotsifotsian’ity firenena ity Ahy ? Ary mandra-pahoviana no tsy inoany Ahy noho nyfamantarana rehetra izay nataoko teo aminy ? »6.

Naniraka an’ireo mpaminany, toa an-dry i Eliasy ry i Elisa, Izy, tamin’ny farany. Fahagaganalehibe no nampombany azy ireny, mbahampitodihana an’ireo vahoaka Isiraely latsakatao anatin’ny fanompoan-tsampy hiverinaaminy. Saingy tsy niverina taminy ireo vahoakaireo, eny fa na niantsoantso aza izy ireo teo am-pahitana an’ilay afo nalatsak’Andriamanitra avyan-danitra, indray maka, nanao hoe : « Jehovah,Izy no Andriamanitra ! »7.

Lasan-ko babo àry ny Isiraely sy ny Joda, nohony hamafisam-pony. Notairin’i Jehovah nyfanahin’ireo olom-bitsy, taty aoriana kely, mbahitondra an’ireo vahoaka hiakatra hiala an’iBabylona. « Izay voasoratra ao amin’ny lalàn’iMosesy lehilahin’Andriamanitra »8 no nitarikaazy ireo, nanomboka teo. Ny herin’Andriamanitrano niaro azy, eny fa na tsy nisy asa mahagaganatao ho hitan’ny mason’izy ireo aza.

Page 8: Ny herin' Andriamanitra sy ireo asa mahagaga...Fa ny fombany tsy hita dia ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra Azy dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa

8

99.. Hebreo 1. Ú, ‡ •• 1100.. Jaona 1. Ú∂

2. Ny fahatongavan’nyZanak’Andriamanitra

«Amin’izao andro farany izao nonampitenenany (Andriamanitra) tamintsika nyZanany… Izy no nahariany izao tontolo izao »9.« Ary ny Teny dia tonga nofo ka noninatamintsika »10.

Fahagagana toy inona moa no afa-mitahaamin’ny fahatongavan’Ilay Mpahary Izy tenanytety ambonin’ny tany ? Naka endrik’olombelonaIzy ka namangy ny olony, mba hitady sy hamonjyny very.

Manaporofo ny fananan’Ilay Zanak’Andriamanitra ao aminy ny herin’ny Mpahary, syny maha Tompon’ny zavatra rehetra Azy, nysasantsasany tamin’ireo fahagagana nataony.Baikoiny ny rivotra sy ny ranomasina, diamanaiky Azy ireny. Didìny ny trondro hitondravola ho Azy, dia tò tokoa izany. Fanehoana nyhatsaram-pony kosa ireo fahagagana sasany. Asafanasoavana izay mitondra fanafahana, hoan’ireo mila izany, no nataony. Novokisany nyolona marobe tany an’efitra, nositraniny nymarary, nampahiratiny ny jamba, nodioviny ny

Page 9: Ny herin' Andriamanitra sy ireo asa mahagaga...Fa ny fombany tsy hita dia ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra Azy dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa

boka. Ary ny tena fanehoana fara tampon’nymaha Andriamanitra Azy : nanangana ny matyIzy !

Inona no tanjon’ireny asa mahagaga nataon’IlayZanak’Andriamanitra ireny?

– Hanaporofoana fa eo tokoa Andriamanitra,araka ny ambaran’ny teny any amin’ny Eksodosy15. ‡Ì : « Izaho no Jehovah izay mahasitranaanao », sy ny Salamo 103. Ò : « Izay mamela nyhelokao rehetra, izay manasitrana ny aretinaorehetra ». Hitantsika ao amin’ny Lioka 5 nyakon’izany : nahatsapa tao am-pony i Petera fa« olo-meloka » (and. µ). Tonga teo anatrehan’ireompisorona ny fijoroana vavolombelona fa tongamamangy ny olony tokoa Jehovah (Izy irery ihanymantsy no mahay manadio ny boka) (and. Ú∂), arymanana fahefana hamela heloka io Lehilahy iraympanasitrana io, dia ny Zanak’olona, ety an-tany(and. ‡∂).

– Hanamaivanana ny fahantran’ny olombelonasy haneho ny indrafon’Andriamanitra amin’ireovoariny, izay tataovan’ny vokatry ny fahotany.

Indrisy anefa, nolavin’ny olona izany fijoroanaho vavolombelona izany. Voalaza ao amin’nyJaona 2. ‡Ò-‡ƒ fa maro no nino an’i Jesoa, noho nyfahitana ny asa mahagaga nataony. Tsy natoky

9

Page 10: Ny herin' Andriamanitra sy ireo asa mahagaga...Fa ny fombany tsy hita dia ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra Azy dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa

10

1111.. Romana 10. Ú¬ •• 1122.. Jaona 2. Úµ •• 1133.. Jaona 6. Ò† •• 1144.. Matio 12.Òµ •• 1155.. Lioka 16. ÒÚ

ny finoan’ireo olona ireo anefa i Jesoa ! Fantanytsara mantsy ny toe-pon’ny olombelona sy izaytena any anatiny lalina any. Fantany tsara fa tsyavy amin’ny zavatra hita akory ny finoana fa « avyamin’ny toriteny – izany hoe avy amin’ny zavatrare, ary ny toriteny kosa avy amin’ny tenin’iKristy »11. Tsy voatery hiteraka ny tena finoanamarina ny fahitana asa mahagaga : ny Teny notsy maintsy raisina ao am-po mba hitarika hoamin’ny fibebahana, ka hanekena an’Ilay Iray izaymitondra ny famonjena.

Raha avy amin’ny zavatra hita mantsy nyfinoana dia tsy hanao afa-tsy ny hanontany nyolona hoe : « Inona no famantarana asehonaoaminay ? »12. « Inona àry ny famantarana ataonaomba ho hitanay ka hinoanay anao ? »13.« Mpampianatra ô, ta hahita famantarana avyaminao izahay »14. Teny maro hafa mitovyamin’izany no entin’ny olona hanaronana nyhamafisam-pony sy ny fiziriziriany amin’ny tsyfinoana, ka mahatonga ny Tompo tsy maintsymilaza fa : « tsy hety hino izy na dia misymitsangana amin’ny maty aza »15.

Zary nanasongadina ny adidy aman’andrai -kitr’ireo tsy nino, ireo asa mahagaga nataon’ny

Page 11: Ny herin' Andriamanitra sy ireo asa mahagaga...Fa ny fombany tsy hita dia ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra Azy dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa

11

1166.. Jaona 11. ∂¬ •• 1177.. Jaona 17. Ò¬ •• 1188.. Jaona 15. ‡∂ •• 1199.. Jaona 10.∂Ú, ∂‡

Tompo. Rehefa nahatsapa mantsy izy ireo fa « inylehilahy iny dia manao famantarana maro », dianiray saina hamono Azy ry zareo16.

« Nefa na dia nanao izany famantaranabetsaka izany teo anatrehany aza Izy, dia tsy mbanino Azy ireo »17.

« Raha tsy nataoko teo aminy izay asa tsynataon’olona, dia tsy nanan-keloka izy. Faankehitriny efa hitany sady efa halany aho sy nyRaiko koa »18.

Mifanohitra amin’izany kosa, ireo olonasasantsasany nandray tsara ny fijoroanavavolombelona nataon’i Jaona mpanao batisamikasika an’i Jesoa, dia afaka nilaza nanao hoe :« I Jaona tsy mba nanao famantarana, nefa izayrehetra nolazainy ny amin’ity Lehilahy ity diamarina avokoa. Ary maro no nino Azy teo »19.

Toran-kovitra ireo mpiambina, ka tonga toy nymaty, nanoloana ny horohoron-tany sy ny anjelynamirapiratra, tamin’ny fotoana nahatante -rahan’ilay fahagagana fara tampony. Tsy inona iofahagagana fara tampony io fa nynitsanganan’Ilay nohomboana tamin’nyhazofijaliana, niala ny fahafatesana. Tsy nisyfahagagana nanaitra azy ireo indrindra toy ny

Page 12: Ny herin' Andriamanitra sy ireo asa mahagaga...Fa ny fombany tsy hita dia ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra Azy dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa

tamin’ity indray mitoraka ity ! Notateriny tanyamin’ny mpisoronabe izany zava-mahagagaizany. Notambazan’izy ireo vola anefa iretompiambina mba hanao izay inoan’ny olona fa nympianatra no tonga nangalatra ny faty. Marinatokoa, tsy nino izy ireo na nisy olona nitsanganatamin’ny maty aza !

12

Page 13: Ny herin' Andriamanitra sy ireo asa mahagaga...Fa ny fombany tsy hita dia ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra Azy dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa

3. Ireo asa mahagaga taorian’nyfitsanganan’i Kristy

Nirahin’i Jesoa ireo mpianany taorian’nynitsanganany tamin’ny maty. « Mandehana anyamin’izao tontolo izao ianareo, hoy Izy, ka mitoriany filazantsara amin’ny olombelona rehetra…Izao famantarana izao no hanaraka izay mino :hamoaka demonia amin’ny anarako izy, hitenyamin’ny fiteny izay tsy mbola hainy izy, handraymenarana izy, ary na dia hisotro zava-mahafatyaza izy dia tsy hampaninona azy izany, hametra-tanana amin’ny marary izy dia ho sitranaireny »20. Tanteraka ara-bakiteny izany, rehefanakarina tany an-danitra ny Tompo : « Fa izy ireokosa dia lasa ka nitori-teny eny tontolo eny, ary nyTompo niara-niasa taminy ka nanamarina nyteny tamin’ny famantarana izay nomba azy »21.

Voalaza mazava ny tanjona amin’ireofamantarana sy asa mahagaga maro, izay tsymaintsy ho tanteraka : «hanamafy sy hanamarinaan’izay voalazan’ny tenin’Andria manitra ».Nanomboka « niteny tamin’ny fiteny maro samyhafa, araka ny nampitenenan’ny Fanahy Masinaazy »22, ireo mpianatra, tamin’ny andron’nyPentekôsitra. Samy naheno azy ireo nilaza ny

13

2200.. Marka 16. Úƒ-Úµ •• 2211.. Marka 16. ‡† •• 2222.. Asa 2. ∂

Page 14: Ny herin' Andriamanitra sy ireo asa mahagaga...Fa ny fombany tsy hita dia ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra Azy dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa

amin’ny zava-mahagaga nataon’Andriamanitra,tamin’ny fitenin’izy ireo avy, ireo Jiosy avy anyamin’ny firenen-tsamy hafa. Izany nofahasoavana manokana nomena, mbahandrenesan’ireo vahoaka jiosy nielipatrana tanyamin’ny firenena jentilisa ny hafatra mikasika nyfamonjena. Niombona tamin’ny didy navoaka hoan’ireo olona nanorina ny tilikambon’i Babela, aoamin’ny Genesisy 11, izy ireo : niteny tamin’nyfiteny samy hafa ny olona. Maneho ihany koa nyfitateran’ny 1 Korintiana 14. ‡Ú ny teny notsoahinatany amin’ny Isaia 28 fa manambara ny tsyfinoan’ireo vahoaka ireo ny fahatanterahan’iofaminaniana io : « Fa na dia amin’izany aza dia tsyhino Ahy izy, hoy Jehovah ».

Hafatra mahafinaritra sy vaovao mahafaly avyamin’Andriamanitra ny filazantsara. Nankininytamin’ireo apôstôly ny fitondrana izany vaovaomahafaly izany. Natao ho fanaporofoana ihany nymaha avy amin’Andriamanitra marina tokoa nyasa ataon’izy ireo, ireo fahagagana. Ampiasain’Andriamanitra izy ireny mba hanokatra nyvaravarana hidiran’ny filazantsara any amin’ireoJiosy, any amin’ny Samaritana, ary any amin’nyJentilisa. « Tamin’ny tanan’ny apôstôly nonanaovana famantarana sy fahagagana maro teoamin’ny vahoaka », tany Jerosalema, « ary vaomainka nisy olona maro koa, na lahy na vavy, izay

14

Page 15: Ny herin' Andriamanitra sy ireo asa mahagaga...Fa ny fombany tsy hita dia ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra Azy dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa

nino ny Tompo nanampy ho isany »23. TanySamaria indray, « ny vahoaka… nihaino izaynolazain’i Filipo, raha nandre azy sy nahita nyfahagagana nataony »24. Tany Azia, « nandre nytenin’ny Tompo… na Jiosy na Jentilisa. Ary nytanan’i Paoly no nanaovan’Andriamanitrafahagagana lehibe maro »25.

Hoy ireo mpitarika ny vahoaka, taorian’nyfahagagana voalohany natao tamin’ny alalan’iPetera : « Efa nanao famantarana malaza tokoaizy… ka tsy azontsika lavina… Aokahorahonantsika izy mba tsy hiteny amin’izanyanarana izany intsony »26. Hilaza koa i Paoly,fotoana fohy aty aoriana, hoe : « ny famantaranamaha apôstôly ahy dia natao teo aminareo tokoatamin’ny faharetana rehetra, tamin’nyfamantarana sy ny fahagagana ary tamin’ny asalehibe »27. Hitantsika indray eto fa nataohanamafisana ihany ny adidy aman’andraikitraamin’ny fandraisana ny asa nanirahana nyapôstôly ireo zavatra ireo. Ny teny izaynampilazain’ny Fanahy ho azy ireo no hery niasatao anatiny, fa tsy ireo fahagagana, araka izayambaran’ireto teny hotanisaina manaraka ireto :

« Fa ny Jiosy mila famantarana ary ny Jentilisamitady fahendrena, fa izahay kosa mitory an’i

15

2233.. Asa 5. Ú‡-Ú∂ •• 2244.. Asa 8. Ì •• 2255.. Asa 19. Ú†, ÚÚ •• 2266.. Asa 4. ÚÌ, Ú¬•• 2277.. 2 Korintiana 12. Ú‡, ampitahao koa amin’ny Romana 15. Ú∞

Page 16: Ny herin' Andriamanitra sy ireo asa mahagaga...Fa ny fombany tsy hita dia ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra Azy dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa

16

2288.. 1 Korintiana 1. ‡‡-‡∂ •• 2299.. 1 Korintiana 2. ∂, ƒ, ÚÒ •• 3300.. Romana1. ÚÌ •• 3311.. 1 Tesaloniana 2. ÚÒ •• 3322.. Jakoba 1. ‡Ú •• 3333.. Asa 20. Ò‡

Kristy voahombo tamin’ny hazofijaliana, diafahatafintohinana ho an’ny Jiosy ary fahadalanaamin’ny Jentilisa fa amin’izay voantso kosa… diaKristy izay herin’Andriamanitra sy fahendren’Andriamanitra »28.

«Ary ny teniko sy ny toriteniko dia tsy avytamin’ny teny fahendrena mahataona, fatamin’ny fanehoan’ny Fanahy sy ny hery, mba tsyhiorenan’ny finoanareo amin’ny fahendren’nyolona, fa amin’ny herin’Andriamanitra ihany…Izany koa no lazainay, tsy amin’ny tenyampianarin’ny fahendren’olona fa amin’ny tenyampianarin’ny Fanahy, raha milaza zava-panahyamin’izay olona araka ny Fanahy izahay »29.

«Ny filazantsara… herin’Andriamanitra hofamonjena izay rehetra mino »30.

«… Tsy noraisinareo ho tenin’olona, fa arakaizay marina, dia ny tenin’Andriamanitra izaymiasa ao anatinareo izay mino koa »31.

«Ekeo amin’ny fahalemem-panahy ny tenynambolena, izay mahavonjy ny fanahinareo »32.

«Ary ankehitriny, izaho manolotra anareo hoamin’Andriamanitra sy ho amin’ny tenin’nyfahasoavany, izay mahay mampandroso symanome lova anareo eo amin’izay rehetranohamasinina »33.

Page 17: Ny herin' Andriamanitra sy ireo asa mahagaga...Fa ny fombany tsy hita dia ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra Azy dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa

17

3344.. 1 Korintiana 14. ‡Ò

4. Ny amin’ireo fanomezam-pahasoavanamahagaga

Nieboebo tamin’ny fananany an’ireofanomezam-pahasoavana mahagaga ireoKorintiana, indrindra moa fa ny fitenenanaamin’ny fiteny tsy fantatra. Tsy nihevitra mihitsyny amin’ny asa nanirahana ny apôstôly Paoly izyireo, eny fa na teo aza ireo famantarana syfahagagana nanaporofo izany asany izany.Nampiasainy izany fanomezam-pahasoavanahiteny amin’ny fiteny tsy fantatra nanananyizany, tsy hanambarana ny zava-mahagaga aoamin’Andriamanitra, fa mba hisehosehoana eoimason’ny hafa. Toy ny olona adala sy very sainano ho fiheveran’ireo olon-tsotra azy ireoamin’izany34, ka zary misakana ny fiasan’nytenin’Andriamanitra ao am-pon’ny olona.

Miresaka an’ireo fanomezam-pahasoavanamahagaga ho anisan’ny fanomezam-pahasoavana nomen’Andriamanitra hanana nytoerany eo anivon’ny fiangonana ny apôstôly, aoamin’ny 1 Korintiana 12. ∞, Ú†, ‡µ. Mampitandrinafatratra an’ireto Korintiana ireto izy ny amin’nyfampiasana amin’ny tsy tokony ho izy an’irenykarazana fanomezam-pahasoavana ireny.

Page 18: Ny herin' Andriamanitra sy ireo asa mahagaga...Fa ny fombany tsy hita dia ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra Azy dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa

18

35. Ampitahao amin’ny andininy ‡ sy Ò

Nanafatrafatra izy ny tsy hitenenana amin’nyfiteny tsy fantatra manoloana ny olona tsymahazo azy ireny. Notenenin’i Paoly mafymihitsy ireto olona ireto. Nanteriny fa tokony hoazon’izay rehetra manatrika eo, izay rehetraambara mandritra ny fotoam-pivorian’nyfiangonana. Eny, tokony hahazo izany na ny olon-tsotra aza. Tsy tokony hisy olona hitory tenyamin’ny fiteny tsy fantatra mihitsy, raha tsy misyolona hafa afaka ny handika izany.

Samy nandre an’ireo mpianatra nilaza ny zava-mahagaga ao amin’Andriamanitra « tamin’nyfiteniny avy », ireo Jiosy, tao amin’ny Asa 2. Tsyazo lazaina mihitsy ho fiteny hafa tamin’ireo izaynisy, araka ny ambaran’i Paoly eto hoe : « misyfiteny maro samy hafa amin’izao tontolo izao »,ny fiteny tsy fantatr’ireto Korintiana ireto. Nataoindrindra ho fanairana hiala lavitra an’izany toe-tsaina izany35, ny filazana ny hoe « amin’nyfitenin’ny olona sy ny anjely » eo amin’ny 1Korintiana 13. Ú. Tsy misy tombontsoa azo mihitsyamin’ny fitenenana amin’ny fiteny tsy fantatramanoloana an’izay rehetra vory ao am-piangonana. Haitraitra, izay feperan’ny apôstôlymazava sy imaso imaso, izany. Tsy hoe mamefyny asan’ny Fanahy Masina akory ny apôstôly,

Page 19: Ny herin' Andriamanitra sy ireo asa mahagaga...Fa ny fombany tsy hita dia ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra Azy dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa

saingy anteriny kosa fa tokony ho amin’nyfampandrosoana hatrany no ampiasana an’ireofanomezam-pahasoavana avy amin’ny Fanahy.

19

Page 20: Ny herin' Andriamanitra sy ireo asa mahagaga...Fa ny fombany tsy hita dia ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra Azy dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa

5. Ny vanim-potoana ankehitriny

Nilaina tokoa ny nanamafisana ny fitoriana nyfilazantsara tamin’ny alalan’ireo famantarana syfahagagana, tany am-boalohany. Tsy maintsynilaina izany satria tsy mbola voarakitra an-tsoratra ireo teny nampitondraina ny apôstôlyhotoriny. Tahaka izany koa no tsy maintsynidiran’Andriamanitra an-tsehatra tamin’ny asananirahany an’i Mosesy, tamin’ny fotoanan’nylalàna, ary tamin’ny fotoanandron’ireo mpami -nany. Tsy maintsy nanao izany Izy ho fanaporo -foana fa avy aminy avokoa na ny fanirahana an’iMosesy, na ny lalàna, na ireo mpaminany.

Tsy hoe tamin’ny alalan’ny fanaovana asamahagaga hatrany hatrany akory nonitantanan’Andriamanitra an’ireo vahoakany.Tamin’ny fotoana hitany fa nilàna izany ihany nonanaovany izany. Manao fahagagana Izy hofanamarinana fa avy aminy tokoa ny asaataon’ireo olona irahiny ; manao izany Izy hofampatongavan-tsaina an’ireo izay tsy metymandray ny tenin’ireny olona irahiny ireny : toyizay nataon’i Mosesy nanoloana an’i Farao, nynataon’i Mosesy nanoloana ny Zanak’Isiraely 36, iElia sy i Elisa tany Isiraely.

20

3366.. Nomery 14. ‡‡

Page 21: Ny herin' Andriamanitra sy ireo asa mahagaga...Fa ny fombany tsy hita dia ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra Azy dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa

Nohamafisina avokoa ny teny nampitondrainaan’ireo apôstôly. Famonjena ho an’izay rehetramino azy izany teny azy, ary zary fanamelohanakosa ho an’ireo mandà azy : « Hataontsika ahoanano fandositra raha tsy mitandrina izaofamonjena lehibe izao isika ? Dia ilaynampilazaina ny Tompo tamin’ny voalohany, arynohamafisin’izay nandre tamintsika kosa, sadyAndriamanitra koa no niara-nanambara taminytamin’ny famantarana sy ny fahagagana arytamin’ny asa lehibe samy hafa sy ny fanomezanany Fanahy Masina nozarazarainy araka nysitrapony »37.

Tsy miova ny herin’Andriamanitra mandrakaankehitriny. Araka izay sitraky ny fony ihanyanefa no anehoany izany, satria Andriamanitramasimandidy Izy. Maneho ny heriny Izy hosetrin’ny finoan’ireo izay mino Azy. Mbola nataoho antsika ankehitriny mihitsy koa ilay tenynampilazaina ho an’i Jeremia manao hoe :« Antsoy Aho dia hovaliako ianao »38. Mamaly nyvavaka asandratr’ireo olony amin’ny fombamahagaga ny Tompo. Miasa amin’ny fombamahagaga Izy amin’ny fisarihana an’ireo tsymino avy any anatin’ny haizina ; miasa amin’nyfomba mahagaga Izy amin’ny fanafahana an’ireo

21

3377.. Hebreo 2. Ò, ∂ •• 3388.. Jeremia 33. Ò

Page 22: Ny herin' Andriamanitra sy ireo asa mahagaga...Fa ny fombany tsy hita dia ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra Azy dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa

olony ao anatin’ny olana tsy ahitam-bahaolanaintsony, raha hitany fa ilaina ny hanaovana izany.Hitoetra mandrakariva ho Ilay Iray « Izay mahaymanao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny,mihoatra noho izay rehetra angatahintsika naheverintsika aza »39, Izy.

Aoka isika hifoha ka hangataka amin’Andriamanitra, amim-pinoana sy amim-pitalahoana fatratra, mba hiasan’Andriamanitraamin’izany fomba mahagaga izany. Sahiamangataka aminy amim-paharetana, katsahomandrakariva ny sitrapony, ary mivononahanaiky izany sitrapony izany. Tamim-pinoana sytamim-pitalahoana fatratra no nangatahan’iPaoly tamin’ny Tompo mba hanalana taminy nyaretina nahazo azy. Nanaiky tanteraka nysitrapon’ny Tompo anefa izy raha novalina hoe :« Ampy ho anao ny fahasoavako ».

Saingy, zavatra hafa mihitsy kosa raha hoeianao indray no ndeha handidy an’Andriamanitrahanao fahagagana, mba haha fanta-daza anaompitory ! Andriamanitra no isaory raha toa Izymanaiky ny haneho ny heriny ho fanafahana nyolona amin’ny fahefàn’ny maizina, any amin’ireotoerana isan-karazany.

22

3399.. Efesiana 3. ‡†

Page 23: Ny herin' Andriamanitra sy ireo asa mahagaga...Fa ny fombany tsy hita dia ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra Azy dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa

Afaka manome ny fahaiza-manao ho an’nyolona anankiray Andriamanitra. Irahiny hitory nyfilazantsara any amin’ny foko anankiray tsymbola manana ny tenin’Andriamanitra voadikaamin’ny tenin-drazany, io olona io. Ho vitan’ioolona io ny hitory amin’ireo olona ireo na tsy irayfiteny amin’izy mpitory aza io foko io. Azony ataony hahefa izany amin’ny alalan’ny asa mahagagaataon’Andriamanitra tsotra izao, fa tsy tamin’nyfanaovana ezaka be tamin’ny fianarana nyfitenin’ireo olona ireo (tsy mbola nahita ohatramivantana toy izany aloha izahay). Fa raha toakosa ka hoe hihambo hitory ny tenin’Andriamanitra amin’ny fiteny tsy ho azon’izayhampitana azy akory, inona moa no katsahinaamin’izany ?

Ho antsika ankehitriny, indro efa voasoratra nyteny, ary voamarina sy voaporofo. Ny teny novavolombelona, fa tsy ny fahagagana. « Demetriodia tsara laza amin’ny olona rehetra sy amin’nyfahamarinana koa, ary izahay koa manambaraizany, ary fantatrao fa marina nyfanambarànay »40.

«Amin’ny fanehoana ny marina no ideranaytena amin’ny fieritreretan’ny olona rehetra eoimason’Andriamanitra »41. «Mazotoa manolotra

23

4400.. 3 Jaona 12 •• 4411.. 2 Korintiana 4. ‡

Page 24: Ny herin' Andriamanitra sy ireo asa mahagaga...Fa ny fombany tsy hita dia ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra Azy dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa

ny tenanao amin’Andriamanitra ho olonavoazaha toetra dia mpiasa tsy mahazo henatramizara tsara ny teny fahamarinana »42.

Ary moa tsy voasoratra ao amin’ny 1 Korintiana13 ve fa : « ny faminaniana dia ho levona… nyfiteny tsy fantatra dia hitsahatra… ny fahalalanadia ho foana »? (and. µ). Manazava amintsika nyhevitr’io hoe « ho levona, hitsahatra, ho foana » iony tohin’ny teny : « Fa sombintsombiny nyfahalalantsika, ary sombintsombiny nyfaminaniantsika, fa rehefa tonga ny tanteraka diatsy hisy sombintsombiny intsony ». Ho avy nytanteraka sy ny lavorary, hisolo toerana nysombintsombiny sy ny tsy feno. Hitsahatra nyfitenenana amin’ny fiteny tsy fantatra, eny fa natsy voalaza aza hoe rahoviana nohitsaharan’izany.

Marina tokoa fa voalaza ao amin’ny bokin’nyAsan’ny Apôstôly sy ny epistily voalohany hoan’ny Korintiana, izay iray tamin’ireo epistilyvoasoratra voalohany (taorian’ny epistily hoan’ny Tesaloniana), ny amin’ny fitenenanaamin’ny fiteny tsy fantatra sy ireo fanomezam-pahasoavana mahagaga samy hafa. Saingy, tsymanonona intsony an’io fitenenana amin’nyfiteny tsy fantatra io ireo epistily voasoratra tatyaoriana.

24

4422.. 2 Timoty 2. Úƒ

Page 25: Ny herin' Andriamanitra sy ireo asa mahagaga...Fa ny fombany tsy hita dia ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra Azy dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa

Ary raha nananatranatra mafy an’i Timoty iPaoly nanao hoe : « Mitoria ny teny, mazotoa naamin’ny fotoana na tsy amin’ny fotoana,mandrese lahatra »43, dia tsy nilaza mihitsy izy nyhaniriana na ny hangatahana ny hisiana asamahagaga hanindrina ny toriteny. Tsy miresakamihitsy ny amin’ny fahagagana, na i Petera izayvoalohany nampiasain’Andriamanitra hanao asamahagaga aza, ao amin’ireo epistily nosoratany.Nohamafisiny kosa fa ny finoana niainan’ireoolon’Andriamanitra dia niorina tamin’ny :« tenin’ny Tompo maharitra mandrakizay. Aryizany no tenin’ny filazantsara izay notorinataminareo »44.

25

4433.. 2 Timoty 4. ‡ •• 4444.. 1 Petera 1. ‡ƒ

Page 26: Ny herin' Andriamanitra sy ireo asa mahagaga...Fa ny fombany tsy hita dia ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra Azy dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa

6. Fampitandremana

Nilaza ny Tompo Jesoa fa tsy hahazoana antokany famonjena mihitsy akory ny fihamboana homanana ny herin’Andriamanitra hahavitana asamahagaga : « Maro no hanao amiko amin’izanyandro izany hoe : Tompoko, Tompoko, tsy efanaminany tamin’ny anaranao va izahay ? Ary tsyefa namoaka demonia tamin’ny anaranao vaizahay ? Ary tsy efa nanao asa lehibe marotamin’ny anaranao va izahay ? Ary dia hambarakoaminy marimarina hoe : Tsy mba fantatro akoryianareo hatrizay hatrizay, mialà amiko ianareompanao meloka »45.

Aza hadinoina fa mbola milofo hatranyamin’ny fanaovana fahagagana mitovy amin’izayvitan’ny herin’Andriamanitra i Satana. Tsaroan -tsika, angamba, ny fahagagana nataon’ireoombiasy tany Egypta ! Mampitandrina antsika nyapôstôly Paoly fa ny fiavian’ilay ratsy, nyAntikristy, dia « araka ny fiasan’i Satana amin’nyhery sy ny famantarana sy ny fahagaganamandainga rehetra, ary ny famitahana mombany tsy fahamarinana ho an’izay ho very, satria tsynandray ny fitiavana ny fahamarinana izayhamonjena azy izy »46. Tsy ho tonga ny Antikristy

26

4455.. Matio 7. ‡‡, ‡Ò •• 4466.. 2 Tesaloniana 2. ∞, Ú†

Page 27: Ny herin' Andriamanitra sy ireo asa mahagaga...Fa ny fombany tsy hita dia ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra Azy dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa

raha tsy hakarina ho any amin’ny Tompo aloha nympino. Saingy, « efa miasa tokoa ny herymiafin’ny fanaovan-dratsy »47, ka milamitandrina fatratra isika. Hitantsika ao amin’nyApokalypsy 13 fa mahavita famantarana lehibeilay bibidia. Voalaza ao amin’ny 16. Ú∂ koa famanao famantarana (na fahagagana) nyfanahin’ny demonia.

Ny herin’Andriamanitra lehibe, izay nomenaantsika mba hamantarantsika ny asanymahagaga tao anatin’ny fahariana, no aokahibahana ao an-tsaintsika. Ny herin’Andriamanitra, izay mampahafantantra antsikany fitiavan-dalina nitiavany antsika, no aoka homasaka an-dohantsika. Ekeo ary ifalio nyfahagagan-dehiben’ny fanavotana izaynanafahan’ny Ray antsika tamin’ny « fahefàn’nymaizina ka namindra antsika ho amin’nyfanjakan’ny Zanany malalany »48. Maharetaamim-pinoana amin’ny fivavahana, satria « nyfiasan’ny fivavaky ny marina dia maheryindrindra »49. Aza manery an’Andriamanitrahanaraka izay sitraky ny fontsika anefa !

27

4477.. 2 Tesaloniana 2. ¬ – DIEM •• 4488.. Kolosiana 1. ÚÒ •• 4499.. Jakoba5. ÚÌ

Page 28: Ny herin' Andriamanitra sy ireo asa mahagaga...Fa ny fombany tsy hita dia ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra Azy dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa

Boky hafa azonao vakina, mamahavaha nylohahevitra mitovy amin’izay hitanao tato :

Parler en languesG Steidl

Les guérisons par la prière, le don de langues,les signes et les miracles à la lumièredes ÉcrituresH.L. Heijkoop

La nouvelle naissance, le baptême de l’Esprit, lesdons spirituelsP. Oddon

Page 29: Ny herin' Andriamanitra sy ireo asa mahagaga...Fa ny fombany tsy hita dia ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra Azy dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa

NNYY HHEERRIINN’’AANNDDRRIIAAMMAANNIITTRRAASSYY IIRREEOO AASSAA MMAAHHAAGGAAGGAA

Amboaram-boky 10x15ahitanao fanazavana tsotra

avy amin’ny Baiboly

NNaahhooaannaa nnoo nnaavvooaakkaaiizzaaoo aammbbooaarraamm--bbookkyy 1100xx1155 iizzaaoo ??

Natonta tamin’ny taratasy manify ireo boky, arynatao mitovy habe amin’ny valopy. Natao indrin-dra ho fampitomboana an’ireo mpamaky lianaamin’ny Tenin’Andriamanitra, ireo bokikely rehe-tra ho hitanao ato amin’ity amboaram-boky ity.Amidy amin’ny vidiny mirary tokoa izy ireny, arymamaly an’ireo fanontaniana fametraky ny olonamatetika, araka ny amalian’ny Tenin’Andriamani-tra azy.

Page 30: Ny herin' Andriamanitra sy ireo asa mahagaga...Fa ny fombany tsy hita dia ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra Azy dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa

Imprimé en France par IMÉAF – 26160 La Bégude de MazencDépôt légal : 4e trimestre 2007 - N° d’impression 70742