9
JESOSY, NY FANAHY MASINA, ARY NY VAVAKA Lesona 7 ho an'ny 16 May 2015

Lesona 7 ho an'ny 16 May 2015. Andriamanitra dia manana ny maha- Izy Azy, tena misy Izy ary tia sy mikarakara tahaka ny raim- pianakaviana olombelona

Embed Size (px)

Citation preview

Page 1: Lesona 7 ho an'ny 16 May 2015. Andriamanitra dia manana ny maha- Izy Azy, tena misy Izy ary tia sy mikarakara tahaka ny raim- pianakaviana olombelona

JESOSY, NY FANAHY MASINA, ARY NY VAVAKA

Lesona 7 ho an'ny 16 May 2015

Page 2: Lesona 7 ho an'ny 16 May 2015. Andriamanitra dia manana ny maha- Izy Azy, tena misy Izy ary tia sy mikarakara tahaka ny raim- pianakaviana olombelona

JESOSY SY NY FANAHY MASINA1. Tamin'ny nahaterahany.

Teraka avy amin'ny Fanahy Masina Izy (Lio. 1:35). Nofenoina ny Fanahy Masina i Elizabeta (Lio. 1:41). Nofenoina ny Fanahy Masina i Simeona (Lio. 2:25).

2. Tamin'ny batisany. Nilaza mialoha i Jaona fa hanao batisa amin'ny Fanahy Masina

Izy (Lio. 3:16). Nidina teo amboniny ny Fanahy Masina tamin'ny endriky ny

nofo (Lio. 3:22). Feno ny Fanahy Masina Izy (Lio. 4:1).

3. Nandritry ny asa fanompoany. Nandray ny herin'ny Fanahy Masina Izy (Lio. 4:14). Nanao fahagagana fisaorana ny Fanahy Masina Izy (Lio. 4:18). Nampianariny fa ny fitenenana ratsy ny Fanahy Masina no

fahotana ratsy indrindra (Lio. 12:10).

4. Niaraka tamin'ny mpianany. Nampanantena ny fanatrehany mandrakariva Izy (Jao. 16:7). Nampanantena Izy fa hanome Azy ho an'izay mangataka Azy

(Lio. 11:13).

Page 3: Lesona 7 ho an'ny 16 May 2015. Andriamanitra dia manana ny maha- Izy Azy, tena misy Izy ary tia sy mikarakara tahaka ny raim- pianakaviana olombelona

JESOSY SY NY VAVAKA Andriamanitra i Jesosy, ary iray amin'ny Ray sy ny Fanahy Masina Izy. Na izany aza, dia nila nivavaka Izy mba hifandraisany amin'ny Rainy. Nahazo fampaherezana sy tari-dalana Izy tamin'ny alalan'ny vavaka. Hitatsika manerana ny bokin'i Lioka i Jesosy mivavaka.

Nivavaka Izy tamin'ny batisany (Lioka 3:21)

Nivavaka Izy talohan'ny nifidianany ny apostoly

12 (Lioka 6:12-13)

Nivavaka ho an'ny mpianany Izy(Lioka 9:18)

Nivavaka Izy talohan'ny niovany tarehy (Lioka 9:28-36)

Nivavaka Izy tao Getsemane

(Lioka 22:39-46)

Nivavaka Izy teo am-pialana aina

(Lioka 23:46)Raha ny Zanak'Andriamanitra aza nila nivavaka mba ho iray amin'ny Rainy, manao ahoana no tena filantsika fiainana feno vavaka!

Page 4: Lesona 7 ho an'ny 16 May 2015. Andriamanitra dia manana ny maha- Izy Azy, tena misy Izy ary tia sy mikarakara tahaka ny raim- pianakaviana olombelona

TONOM-BAVAKA MODELYLioka 11:2-4

• Andriamanitra dia manana ny maha-Izy Azy, tena misy Izy ary tia sy mikarakara tahaka ny raim-pianakaviana olombelona (tanteraka).

Rainay

• Masina ary tena misy Andriamanitra. Ambony lavitra antsika Izy, kanefa dia tena azo antonina amin'ny alalan'ny vavaka.

Izay any an-danitra

• Manamasina ny anaran'Andriamanitra isika rehefa maneho taratra ny toetrany eo amin'ny fiainantsika.

Ho hamasinina anie ny anaranao

• Na ny fanjakan'i Jesosy ety an-tany amin'ny alalan'ny Fiangonany, na ny fanjakam-boninahiny izay maharitra mandrakizay izay ho tonga amin'ny Fiaviany fanindroany.

Ho tonga anie ny fanjakanao

Page 5: Lesona 7 ho an'ny 16 May 2015. Andriamanitra dia manana ny maha- Izy Azy, tena misy Izy ary tia sy mikarakara tahaka ny raim- pianakaviana olombelona

• Ny sitrapon'Andriamanitra dia ankatoavina any an-danitra. Tompon'andraikitra amin'ny ampahany amin'ny fampankatoavana ny sitrapony ety an-tany koa isika.

Hatao anie ny sitraponao, ety an-tany tahaka ny any

an-danitra

• Manaiky isika fa Andriamanitra no loharanon'ny zava-drehetra ho antsika. Izy no manome izay ilaintsika rehetra.

Omeo anay isan'andro izay

hanina sahaza ho anay

• Tsy misy famonjena raha tsy misy famelan-keloka. Tsy maintsy mamela heloka isika satria voavela heloka.

Ary mamelà ny helokay, fa izahay koa

dia mamela izay rehetra meloka

aminay

• Andriamanitra irery ihany no afaka manafaka antsika amin'ny ratsy. Izy no manome antsika hery handresena ny fakam-panahy.

Ary aza mitondra anay amin'ny fakam-panahy fa manafaha anay amin'ny ratsy

TONOM-BAVAKA MODELYLioka 11:2-4

Page 6: Lesona 7 ho an'ny 16 May 2015. Andriamanitra dia manana ny maha- Izy Azy, tena misy Izy ary tia sy mikarakara tahaka ny raim- pianakaviana olombelona

FANOHARANA MOMBA NY VAVAKAA Ilay sakaiza fatra-pangataka“Ary hoy Jesosy taminy: Iza moa

aminareo no manana sakaiza, izay hankeo aminy mamatonalina ka hanao aminy hoe: Ry sakaiza, ampisambory mofo telo aho; fa ny sakaizako nandeha tamin'ny nalehany, dia tonga aty amiko, ka tsy misy izay hafahako azy; ary ilay ao an-trano kosa hamaly ka hanao hoe: Aza manahirana ahy; fa efa mihidy ny varavarana izao, ary ny zanako mandry eto am-pandriana eto amiko; tsy afaka hifoha hanome anao aho? Hoy Izaho aminareo: Na dia tsy hiainga hanome azy noho ny fisakaizana aza izy, dia hifoha ihany izy noho ny fitarainany fatratra ka hanome azy izay ilainy.” (Lioka 11:5-8)Ny fikirizana amin'ny vavaka dia tsy manova ny fikasan'Andriamanitra fa mampitombo ny finoantsika. “Mivavaha ka aza mitsahatra.” (1Tes. 5:17)

Page 7: Lesona 7 ho an'ny 16 May 2015. Andriamanitra dia manana ny maha- Izy Azy, tena misy Izy ary tia sy mikarakara tahaka ny raim- pianakaviana olombelona

B Atody sa maingoka?“Fa iza moa aminareo izay ray, raha angatahan'ny zanany mofo, no hanome azy vato? Ary raha angatahany hazandrano, no hanome azy menarana ho solon'ny hazandrano? Ary raha angatahany atody, no hanome azy maingoka? Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an'izay mangataka aminy!”

(Lioka 11:11-13)

FANOHARANA MOMBA NY VAVAKA

Ity fanoharana ity dia maneho ny fanirian'Andriamanitra hanome antsika ny zavatra rehetra izay mahasoa antsika.Tokana ny fepetra: mangataha Aminy.

Page 8: Lesona 7 ho an'ny 16 May 2015. Andriamanitra dia manana ny maha- Izy Azy, tena misy Izy ary tia sy mikarakara tahaka ny raim- pianakaviana olombelona

D Ilay Fariseo sy ilay mpamory hetra.“Nisy roa lahy niakatra teo an-kianjan'ny tempoly hivavaka, ny anankiray Fariseo, ary ny anankiray mpamory hetra. Ilay Fariseo nitsangana ka nivavaka nitokana hoe: Andriamanitra ô, misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka ny olona sasany, izay mpanao an-keriny, tsy marina, mpijangajanga, na tahaka io mpamory hetra io aza. Mifady indroa isan-kerinandro aho; mandoa ny fahafolon-karena amin'izay azoko rehetra aho. Fa ilay mpamory hetra kosa nijanona teny lavitra eny, sady tsy nety niandrandra ny lanitra akory, fa niteha-tratra ka nanao hoe: Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota. Lazaiko aminareo : Izany lehilahy izany nidina tany an-tranony efa nohamarinina noho ny anankiray ; fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay rehetra manetry tena no hasandratra .” (Lioka 18:10-14)

FANOHARANA MOMBA NY VAVAKA

Ny fanetre-tena, ny fibebahana ary ny fo torotoro no tena fototra rehefa manatona ny seza fiandrianan'ny fahasoavana isika mba ahazahoana famindram-po sy fanampiana amin'ny fotoana ilana izany (Hebreo 4:16).

Page 9: Lesona 7 ho an'ny 16 May 2015. Andriamanitra dia manana ny maha- Izy Azy, tena misy Izy ary tia sy mikarakara tahaka ny raim- pianakaviana olombelona

“Tokony hivavaka ianao. Tsy ho nandidy an'izany taminao i Jesosy raha tsy noho ny tena filana izany indrindra. Tena fantany tokoa fa amin'ny tenanao irery dia tsy afaka ny handresy ireo fakam-panahy marobe ataon'ny fahavalo ianao, sy ireo fandrika maro eo amin'ny tongotrao. Tsy navelany ho irery ianao amin'izany; fa nomeny lalàna izay ahafahanao mandray fanampiana. Noho izany dia mibaiko anao Izy mba hivavaka.”

E.G.W. (Lift Him Up, 20 Desambra)