2
ANDRON’NY FITORIANA NY FILAZANT- SARA MANERAN-TANY Ny tanjon’ny Andron’ny Fitoriana ny Filazantsara maneran-tany dia ny mba hizaran’ny mpino tsirairay ny Filazantsara ny sabotsy farany amin’ny volana May isan-taona. Afaka miaraka amin’ny mpino an-tapitrisany manerana izao tontolo izao ianao mba hizara ny Vaovao Mahafaly. Mand- raisa anjara amin’izany! Tsidiho ny tranokalanay mba ahitana hevitra ny amin’ny fomba hizarana ny Filazantsara ary mandraisa anjara amin’ny Andron’ny Fitoriana ny Fila- zantsara maneran-tany miaraka amin’ny namanao sy ny fiangonana. BOKIKELY TOROLALANA HO AN’NY DINGANA 3 Ity boky torolalana ho amin’ny fampiofanana ity dia hanolotra izay rehetra ilainao amin’ny firesahana malalaka sy mahomby momba an’i Jesosy. Ianao dia hianatra ny fomba handresena ny olona ho ao amin’i Jesosy ary ho tonga vavolombelona mahomby ho azy. Dingana 1: Ahoana no fomba hanombohana resaka Dingana faha 2: Ahoana no fitoriana ny Filazantsara Dingana faha 3: Ahoana no hitarihana ny olona ho ao amin’i Kristy Ny fanapahan-kevitra hanaraka an’i Jesosy no fan- apahan-kevitra manan-danja indrindra eo amin’ny fiainana. Ankehitriny ianao dia manana tombotsoa amin’ny fitarihana ny olona ho ao amin’i Kristy. Anontanio azy ny fanontaniana hoe: “Tianao ve ny ahalala an’i Jesosy manokana?” raha toa ka eny ny valiny, dia manaova vavaka tsotra ary angataho izy hivavaka miaraka aminao amin’ny fony manontolo ary angataka amin’i Jesosy mba ho eo amin’ny fi- ainany. Miatoa kely aorian’ny fehezanteny tsirairay mba ahafahan’ny olona mamerina izany. VAVAKA “Ry Jesosy Tompo, mino aho fa Ianao no zanak’- Andriamanitra. Mino aho fa maty noho ireo fahotako Ianao. Mamelà ny heloko ary tongava eo amin’ny fiainako. Mino aho fa nitsangana tamin’ny maty Ianao ary velona ankehitriny. Mandray Anao ho Tompoko sy Mpamonjiko aho. Hanaraka Anao mandritra ny andro sisa iainako aho. Amena.” DINGANA FAHA 3: AHOANA NO ITARIHANA NY OLONA IRAY HO AO AMIN’I KRISTY HAZAVAO NY LAFINY MANAN-DANJA INDRINDRA AMIN’NY FIAINANA KRISTIANA: Vavaka: Firesahana amin’Andriamanitra ary fanore- nana fifandraisana amin’i Jesosy. Baiboly: Famakiana ny tenin’Andriamanitra mba ahazoana ny sitrapony, ny toetrany, ary ny drafitrany. Fiombonana: Fitadiavana fiangonana na fiombonana akaiky eo. Batisa: Toy ny famantarana ety ivelany ny traikefa anaty, manaova batisa afaka fotoana fohy. Mifanakaloza adiresy ary mihaona amin’ny hafa ao anatin’ny telo andro manaraka ary manorina fi- fandraisana. Mivavaha ho an’ilay olona ary meteza ho mpinamana. Raha azo atao, ento ilay olona ary mandehana miaraka any am-piangonana na any amin’ny vondrona madinika. FIETSEHANA HANDEHA– NY FITORIANA NY FILAZANTSARA DIA FOMBA FIAINA Manapaha-hevitra mba hizara ny Filazantsara isam-bolana, herinandro na andro ary meteza ho isan’ny Fietsehana HANDEHA. Raha hisoratra Anarana dia tsidiho ny: www.god-movement.com NY TSIRAIRAY DIA AFAKA MANATRATRA OLONA IRAY, REHEFA MIARAKA DIA AFAKA MANATRATRA AN’IZAO TONTOLO IZAO ISIKA. WERNER NACHTIGAL International President Global Outreach Day Zarao amin’ny tambazotra sosialy ny fijoroanao vavolombelona amin’ny fampiasana ny: #GlobalOutreachDay Malasy – Africa 3 STEPS DINGANA 3 AMIN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA MANOKANA ANDRON’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA MANERAN-TANY Ho an’ny boky 20 pejy amin’ny DINGANA telon’ny Fanofanana dia tsidiho ny: www.globaloutreachday.com

3 STEPS - Donuts€¦ · SARA MANERAN-TANY Ny tanjon’ny Andron’ny Fitoriana ny Filazantsara maneran-tany dia ny mba hizaran’ny mpino tsirairay ny Filazantsara ny sabotsy farany

  • Upload
    others

  • View
    1

  • Download
    0

Embed Size (px)

Citation preview

Page 1: 3 STEPS - Donuts€¦ · SARA MANERAN-TANY Ny tanjon’ny Andron’ny Fitoriana ny Filazantsara maneran-tany dia ny mba hizaran’ny mpino tsirairay ny Filazantsara ny sabotsy farany

ANDRON’NY FITORIANA NY FILAZANT-SARA MANERAN-TANYNy tanjon’ny Andron’ny Fitoriana ny Filazantsara maneran-tany dia ny mba hizaran’ny mpino tsirairay ny Filazantsara ny sabotsy farany amin’ny volana May isan-taona. Afaka miaraka amin’ny mpino an-tapitrisany manerana izao tontolo izao ianao mba hizara ny Vaovao Mahafaly. Mand-raisa anjara amin’izany!

Tsidiho ny tranokalanay mba ahitana hevitra ny amin’ny fomba hizarana ny Filazantsara ary mandraisa anjara amin’ny Andron’ny Fitoriana ny Fila-zantsara maneran-tany miaraka amin’ny namanao sy ny fiangonana.

BOKIKELY TOROLALANA HO AN’NY DINGANA 3Ity boky torolalana ho amin’ny fampiofanana ity dia hanolotra izay rehetra ilainao amin’ny firesahana malalaka sy mahomby momba an’i Jesosy. Ianao dia hianatra ny fomba handresena ny olona ho ao amin’i Jesosy ary ho tonga vavolombelona mahomby ho azy.

• Dingana 1: Ahoana no fomba hanombohana resaka

• Dingana faha 2: Ahoana no fitoriana ny Filazantsara

• Dingana faha 3: Ahoana no hitarihana ny olona ho ao amin’i Kristy

Ny fanapahan-kevitra hanaraka an’i Jesosy no fan-apahan-kevitra manan-danja indrindra eo amin’ny fiainana. Ankehitriny ianao dia manana tombotsoa amin’ny fitarihana ny olona ho ao amin’i Kristy. Anontanio azy ny fanontaniana hoe: “Tianao ve ny ahalala an’i Jesosy manokana?” raha toa ka eny ny valiny, dia manaova vavaka tsotra ary angataho izy hivavaka miaraka aminao amin’ny fony manontolo ary angataka amin’i Jesosy mba ho eo amin’ny fi-ainany. Miatoa kely aorian’ny fehezanteny tsirairay mba ahafahan’ny olona mamerina izany.

VAVAKA “Ry Jesosy Tompo, mino aho fa Ianao no zanak’­Andriamanitra. Mino aho fa maty noho ireo fahotako Ianao. Mamelà ny heloko ary tongava eo amin’ny fiainako. Mino aho fa nitsangana tamin’ny maty Ianao ary velona ankehitriny. Mandray Anao ho Tompoko sy Mpamonjiko aho. Hanaraka Anao mandritra ny andro sisa iainako aho. Amena.”

DINGANA FAHA 3: AHOANA NO ITARIHANA NY OLONA IRAY HO AO AMIN’I KRISTY

HAZAVAO NY LAFINY MANAN-DANJA INDRINDRA AMIN’NY FIAINANA KRISTIANA:

• Vavaka: Firesahana amin’Andriamanitra ary fanore-nana fifandraisana amin’i Jesosy.

• Baiboly: Famakiana ny tenin’Andriamanitra mba ahazoana ny sitrapony, ny toetrany, ary ny drafitrany.

• Fiombonana: Fitadiavana fiangonana na fiombonana akaiky eo.

• Batisa: Toy ny famantarana ety ivelany ny traikefa anaty, manaova batisa afaka fotoana fohy.

Mifanakaloza adiresy ary mihaona amin’ny hafa ao anatin’ny telo andro manaraka ary manorina fi-fandraisana. Mivavaha ho an’ilay olona ary meteza ho mpinamana. Raha azo atao, ento ilay olona ary mandehana miaraka any am-piangonana na any amin’ny vondrona madinika.

FIETSEHANA HANDEHA– NY FITORIANA NY FILAZANTSARA DIA FOMBA FIAINAManapaha-hevitra mba hizara ny Filazantsara isam-bolana, herinandro na andro ary meteza ho isan’ny Fietsehana HANDEHA. Raha hisoratra Anarana dia tsidiho ny: www.god-movement.com

NY TSIRAIRAY DIA AFAKA MANATRATRA OLONA IRAY, REHEFA MIARAKA DIA AFAKA MANATRATRA AN’IZAO TONTOLO IZAO ISIKA.

WERNER NACHTIGALInternational President Global Outreach Day

Zarao amin’ny tambazotra sosialy ny fijoroanao vavolombelona amin’ny fampiasana ny:#GlobalOutreachDay

Mal

asy

– A

fric

a

3 STEPSDINGANA 3 AMIN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA MANOKANA

ANDRON’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA MANERAN-TANYHo an’ny boky 20 pejy amin’ny DINGANA telon’ny Fanofanana dia tsidiho ny: www.globaloutreachday.com

Page 2: 3 STEPS - Donuts€¦ · SARA MANERAN-TANY Ny tanjon’ny Andron’ny Fitoriana ny Filazantsara maneran-tany dia ny mba hizaran’ny mpino tsirairay ny Filazantsara ny sabotsy farany

Voalohany indrindra, izany dia mikasika ny ahatonga ny olona ihaino. Raha tonga haka rano ny vehi­vavy samaritana, nanontany azy i Jesosy hoe: “Homenao rano ho sotroina ve Aho?” (Jaona 4:7)

Tsy nanomboka tamin’ny toriteny i Jesosy, fa kosa tamin’ny lohahevitra andavanandro. Ny rano no teboka nanombohana ny resaka tamin’ilay vehi-vavy. Atombohy amin’ny “manahoana” ny resakao. Itsikio ilay olona ary meteza ho namana. Ataovy izay hisarihana ny sain’ilay olona, hiaino am-pitan-dremana, ary mitadiava zavatra iombonana.

• Atombohy amin’ny zavatra amin’ny fiainana anda-vanandro ny resakareo

• Mametraha fanontaniana tsara, toy ny hoe: “Efa renao ve fa tianao Andriamanitra?”

Mba ahafahana mifandray amim-pahombiazana, dia tokony ho azonao ny fahatokisan’ilay olona. Ianao dia tokony hametraka fanontaniana mala-laka, toy ny hoe: “Ahoanao no eritreritrao momba an’Andriamanitra?” na tsotra fotsiny “Manao ahoana ianao?”

FAHALIANANA Rehefa azonao ny fifantohany, dia fo­hazy ny fahalianany. Ao amin’ny Jaona 4:10, Jesosy namaly hoe: “Raha fantatrao ny fanomezan’Andriamanitra sy izay miteny aminao hoe omeo rano aho hosotroiko …”

Mba ahatonga azy ho liana, dia misafidiana lohahevitra toy ny hoe:

• Nahita fanantenana miavaka teo amin’ny fiainako aho. Ianao koa ve mitady fanantenana?

• Raha toa ka maty ianao androany dia ho aiza?

Fa azo antoka fa tsy hanaitra ny fahalianan’ny olona ianao amin’ny firesahana fotsiny. Asehoy ny fahali-anana marina, dia hisokatra ny olona iray hafa.

FANIRIANA Fantaro ireo izay tena ilain’ny olona miresaka aminao ary hampidiro amin’ny resakareo izany. Jesosy dia niteny tamin’ilay vehivavy hoe: “Andeha ary, antsoy ny vadinao ka mankanesa aty.” Ravehivavy namely ka nanao taminy hoe: “Tsy manambady aho.” Hoy Jesosy taminy: “Ma­rina ihany izay nolazainao hoe tsy manambady ianao.” (Jaona 4:16­18)

Niresaka momba ny lohahevitra manan-danja indrindra teo amin’ny fiainan’ilay vehivavy Izy, ary nampihetsi-po azy izany. Mety tsy manana antoka ny amin’ny fiainana mandrakizay ny olona miresaka aminao na mahatsapa ho meloka. Mety manana olana na marary ilay olona. Jesosy dia nihaona tamin’ny olona ao anaty filàna. Andria-manitra dia mbola afaka manasitrana ny marary, mamerina ny fanambadiana, ary manafaka ny ol-ona amin’ny fanandevozana rehetra. Na izany aza, ny olana lehibe indrindran’ny olona tsirairay dia ny fisarahana mandrakizay amin’Andriamanitra.

NY TANTARANAONy tantaranao manokana dia tena zava­dehibe! Lazao ny fomba nanovan’i Jesosy ny fiainanao. Zarao amin’ny fomba mahaliana ny tantaranao. Aza mampiasa teny izay tsy ho azon’ny vahiny, ary aza manitatra. Ny tantaranao misy fizarana telo:

• Toy ny ahoana ny fiainanao taloha?

• Ahoana no nahafantaranao an’i Jesosy?

• Inona no niova teo amin’ny fiainanao?

Angamba hitantara ny nahatonga anao na-nana tanjona teo amin’ny fiainana na ny fomba nanovan’Andriamanitra anao. Ny tantaranao dia miavaka-mianara mizara izany amin’ny fomba miavaka. Zarao ny zavatra amin’ny fiainanao izay mifandraika amin’ilay olona miresaka aminao.

FITIAVAN’ANDRIAMANITRA Andriamanitra dia marina noho izany tsy afaka manao tsinontsinona fotsiny ny helotsika. Satria tian’Andriamanitra mafy isika, dia nanao drafitra tonga lafatra Izy ho fanavotana ny tsirairay, izay midika fa ianao ihany koa dia ho afaka hoentina miverina amin’ny fifandraisana Aminy

Andriamanitra dia nampiseho izany fitiavana izany tamin’ny alalan’ny fandefasany ny zanany lahitokana, Jesosy Kristy, eto amin’izao tontolo izao ary ho faty eo amin’ny hazofijaliana ho an’ny rehetra. Rehefa nanao izany, Jesosy dia naka ny sazy noho ny helotsika ho amin’ny tenany. Tamin’ny andro fahatelo, Jesosy nitsan-gana tamin’ny maty, araka izay efa nambarany ho ataony. Velona Izy ankehitriny, ary tamin’ny alalany, ny lalana mankany amin’Andriamanitra dia misokatra indray.

Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny zanany lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mand-rakizay. – Jaona 3:16

INONA NO FANAPAHAN-KEVITRAO? Ny asa tsara nataontsika, ny fiezahantsika ma-nokana, ny fisaintsainana ary ny fandehanana any am-piangonana dia tsy ampy hanatonana an’Andriamanitra. Iray ihany no lalana: isika dia tsy maintsy mitodika amin’i Jesosy ary manalavitra ny fiainana izay niainantsika ho an’ny tenantsika fotsiny.

Satria raha manaiky an’i “Jesosy ho Tompo” amin’ny vavanao ianao, ary mino amin’ny fonao fa Andria-manitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia ho vonjena ianao. – Romana 10:9

Ny Filazantsara dia afaka mamonjy ny olona iray raha toa ka azony sy inoany izany. Afaka haza­vainao izany amin’ny fampiasana ireto teboka efatra ireto.

DRAFITR’ANDRIAMANITRA Efa drafitr’Andriamanitra hatrany am-piando-hana ny ho naman’ny olombelona. Tany am-piandohana, ny zavatra rehetra teto an-tany dia nohariana ho tonga lafatra. Tsy nisy ady, ny tsy rariny, tsy nisy aretina-ny zava-drehetra dia feno sy tsara. Niaina am­piadanana sy nifanaraka tamin’Andriamanitra ny olombelona.

Ary hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ary indro, tsara indrindra izany. – Genesisy 1:31

NY OLANA Nanapa-kevitra ny handeha amin’ny lalany irery ny olombelona ka niala an’Andriamanitra. Anke-hitriny isika dia afaka mahita ireo vokatr’izany fanapaha-kevitra izany. Raha tokony ho afaka hiaina am-piadanana sy am-pirindrana miaraka amin’ny hafa, dia lainga, fankahalana, aretina, ary ady no hitantsika.

Na izany aza, ny ratsy indrindra mihoatra ireo dia ny fisarahana mandrakizay amin’Andriamanitra. Ny olana dia raha amin’ny ezaka ataontsika manokana, dia tsy afaka hamerina ny fifandrai-sana amin’Andriamanitra isika. Ireo karazana fivavahana no andrana entina manatona akaiky an’Andriamanitra indray. Noho ny fahatsapana ho meloka, dia tafasaraka amin’Andriamanitra isika

Tsy misy olona miaina marina, na dia iray aza. – Romana 3:10

DINGANA FAHA 2: AHOANA NO FITORIANA NY FILAZANTSARA

DINGANA 1: AHOANA NO HANOMBOHANA RESAKA